mg-bibles
Version:
A package for accessing Bible verses in Malagasy (MG), Diem, King James (KJV), and Louis Segond (APEE) versions
454 lines (453 loc) • 290 kB
JSON
{
"1": {
"1": "Sambatra ny olona izay tsy mandeha eo amin'ny fisainan'ny ratsy fanahy, ary tsy mijanona eo amin'ny lalana falehan'ny mpanota, ary tsy mipetraka eo amin'ny fipetrahan'ny mpaniratsira;",
"2": "Fa ny lalan'i Jehovah no sitrany; eny ny lalany no saintsaininy andro aman'alina.",
"3": "Dia tahaka ny hazo ambolena eo amoron'ny rano velona izy, izay mamoa amin'ny fotoany, ny raviny koa tsy mba malazo; ary ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa.",
"4": "Fa tsy mba toy izany ny ratsy fanahy fa toy ny akofa aelin'ny rivotra izy.",
"5": "Ary noho izany ny ratsy fanahy dia tsy hahajanona eo amin'ny fitsarana, na ny mpanota eo amin'ny fiangonan'ny marina.",
"6": "Fa fantatr'i Jehovah ny lalan'ny marina, fa ny lalan'ny ratsy fanahy kosa dia mankany amin'ny fahaverezana."
},
"2": {
"1": "Nahoana no mitabataba ny jentilisa, ary misaina anoano foana ny firenena?",
"2": "Ireo mpanjakan'ny tany mitsangana, Ary ny mpanapaka miara-mioko hanohitra an'i Jehovah sy ny Mesiany ka manao hoe:",
"3": "\"Aoka hotosantsika ny famatorany, ka hariantsika hiala amintsika ny famehezany.\"",
"4": "Izay mipetraka any an-danitra mihomehy, ny Tompo maneso ireo.",
"5": "Dia hiteny azy amin'ny fahavinirany Izy ka hampangorohoro azy amin'ny fahatezerany hoe:",
"6": "\"Izaho kosa efa nanendry ny Mpanjakako Tambonin'i Ziona, tendrombohitro masina.\"",
"7": "\"Hilaza zava-boatendry Aho; Jehovah nilaza tamiko hoe: Zanako Hianao, Izaho niteraka anao androany.",
"8": "Mangataha amiko, dia homeko ho lovanao ny jentilisa ary ny faran'ny tany ho fanananao.",
"9": "Hotorotoroinao amin'ny tehim-by izy: toy ny famaky vilany tany no hanamontsamontsananao azy.\"",
"10": "Ary amin'izany dia hendre ianareo, ry mpanjaka; minoa anatra ianareo, ry mpitsaran'ny tany.",
"11": "Manompoa an'i Jehovah amin'ny fahatahorana, ary mifalia amin'ny fangovitana.",
"12": "Manoroha ny zanaka, fandrao ho tezitra izy, ka ho very eny an-dalana ianareo; fa vetivety dia hirehitra ny fahatezerany. Sambatra izay rehetra mialoka aminy."
},
"3": {
"1": "Salamo nataon'i Davida, fony izy nandositra an'i Absaloma zanany. Jehovah o, akory izato hamaroan'ny mampahory ahy! Maro no mitsangana hanohitra ahy.",
"2": "Maro no milaza ny fanahiko hoe: tsy manam-pamonjena amin'Andriamanitra izy.",
"3": "Kanjo Hianao, Jehovah o, no ampinga manodidina ahy, Voninahitro sy mpanandratra ny lohako.",
"4": "Amin'ny feoko no iantsoako an'i Jehovah, ary any an-tendrombohiny masina no mamaly ahy Izy.",
"5": "Izaho nandry ka natory; nifoha aho, satria Jehovah no manohana ahy.",
"6": "Tsy hatahotra olona alinalina aho, izay milahatra manodidina hamely ahy.",
"7": "Mitsangana, Jehovah o; vonjeo aho, Andriamanitro o; fa efa namely ny takolaky ny fahavaloko rehetra Hianao; ny nifin'ny ratsy fanahy novakivakinao.",
"8": "An'i Jehovah ny famonjena; Ho amin'ny olonao anie ny fitahianao.[Na: Ho amin'ny olonao ny fitahianao]"
},
"4": {
"1": "Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha. Salamo nataon'i Davida. Raha miantso aho, mamalia ahy, ry Andriamanitry ny fahamarinako o; Raha tao an-katerena aho, dia nohalalahinao toerana; Mamindra fo amiko, ka henoy ny fivavako.",
"2": "Ry lehibe, mandra-pahoviana no hataonareo ho henatra ny voninahitro, ary ho tia zava-poana sy hamoron-dainga ianareo?",
"3": "Kanefa aoka ho fantatrareo fa efa navahan'i Jehovah ho Azy ny tsara fanahy; Jehovah hihaino, raha miantso Azy aho.[Na: fa efa nomen'i Jehovah voninahitra ny olo-masiny]",
"4": "Tezera, fa aza manota; mieritrereta eo am-pandrianareo, ka mangina.[Na: Mangovita]",
"5": "Manatera fanati-pahamarinana,ary matokia an'i Jehovah.",
"6": "Maro no niteny hoe: iza no haneho soa antsika? Asandrato aminay ny fahazavan'ny tavanao, Jehovah o.",
"7": "Efa nasianao fifaliana ny foko mihoatra noho ny tamin'ny taona nahabetsahan'ny variny sy ny ranom-boalobony.",
"8": "Handry amin'ny fiadanana aho, ka dia hatory miaraka amin'izay, satria Hianao, Jehovah o, no mampitoetra ahy mitokana irery tsy manana ahiahy."
},
"5": {
"1": "Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny sodina. Salamo nataon'i Davida. Jehovah o, henoy ny teniko; fantaro ny eritreritro.",
"2": "Henoy ny feon'ny fitarainako, ry Mpanjakako sy Andriamanitro o;fa Hianao no ivavahako.",
"3": "Jehovah o, maraina no handrenesanao ny feoko; maraina no hivavahako aminao, ka hanandrandra aho.[Heb: handaharako]",
"4": "Fa tsy Andriamanitra mankasitraka izay ratsy Hianao; tsy hitoetra aminao ny ratsy.",
"5": "Tsy hahazo mijanona eo imasonao ny mpirehareha; halanao ny mpanao ratsy rehetra.",
"6": "Haringanao ny mpiteny lainga;ny olona mpandatsa-dra sy mpamitaka dia ataon'i Jehovah ho zava-betaveta.",
"7": "Fa izaho kosa noho ny haben'ny famindram-ponao dia hiditra ao an-tranonao; hiankohoka manatrika ny lapanao masina amin'ny fahatahorana anao aho.",
"8": "Jehovah o, tariho amin'ny fahamarinanao aho noho ny amin'ny mpampahory ahy; ataovy marina eo anoloako ny lalanao.",
"9": "Fa tsy misy azo itokiana ny aloaky ny vavany; ny ao anatiny dia tena faharatsiana; fasana misokatra ny tendany. Mandambolambo ny lelany izy.[Na: lavaka mitanatana]",
"10": "Helohy izy, Andriamanitra o; Aoka ho lavon'ny saina ataony izy; Roahy izy noho ny haben'ny fahotany, satria efa niodina taminao.",
"11": "Dia hifaly izay rehetra mialoka aminao, hihoby mandrakariva izy, koa miarova azy Hianao; ka dia ho ravoravo aminao izay tia ny anaranao.",
"12": "Fa Hianao, Jehovah o, mitahy ny marina; fankasitrahana no ataonao manodidina azy toy ny ampinga lehibe."
},
"6": {
"1": "Ho an'ny mpiventy hira. Nampiarahina amin'ny valiha. Al-hasheminith. Salamo nataon'i Davida. Jehovah o, aza ny fahatezeranao no ananaranao ahy, ary aza ny fahaviniranao no amaizanao ahy.",
"2": "Mamindra fo amiko, Jehovah o, fa reraka aho; sitrano aho, Jehovah o, fa mihozohozo ny taolako.",
"3": "Ny fanahiko koa dia mangovitra loatra; fa Hianao, Jehovah o, mandra-pahoviana?",
"4": "Miverena, Jehovah o, afaho ny fanahiko; Vonjeo aho noho ny famindram-ponao.",
"5": "Fa tsy misy fahatsiarovana Anao any amin'ny fahafatesana, any amin'ny fiainan-tsi-hita iza no hidera Anao?[Heb. Sheola]",
"6": "Efa sasatry ny misento aho; mampitsinkafona ny farafarako isan'alina aho sady mahampo-dranomaso ny fandriako.",
"7": "Lanin'alahelo ny masoko; efa pahina izy amin'ny ataon'ny mpampahory ahy rehetra.",
"8": "Miala amiko, ianareo mpanao ratsy rehetra; fa Jehovah efa nandre ny feon'ny fitomaniako.",
"9": "Jehovah efa nandre ny fangatahako; Jehovah no handray ny fivavahako.",
"10": "Ho menatra sy hangovitra indrindra ny fahavaloko rehetra; hihodina izy ka ho menatra tampoka."
},
"7": {
"1": "Sigaiona nataon'i Davida, izay nohirainy ho an'i Jehovah noho ny tenin'i Kosy Benjamita. Jehovah Andriamanitro o, Hianao no ialofako; vonjeo aho amin'izay rehetra manenjika ahy, ka afaho;",
"2": "Fandrao ny fanahiko viravirainy tahaka ny fanaon'ny liona, ary kepokepohiny, ka tsy misy mamonjy.",
"3": "Jehovah Andriamanitro o, raha nanao izany aho; raha misy heloka eto an-tanako;",
"4": "Raha namaly ratsy izay tsara fihavanana tamiko aho, novonjeko aza izay nampahory ahy tsy ahoan-tsy ahoana [Na: Ka nandroba izay nampahory ahy tsy ahoan-tsy ahoana]",
"5": "Dia aoka ny fahavalo hanenjika ny fanahiko ka hahatratra azy; eny, aoka izy hanitsaka ny aiko amin'ny tany, ary hampandry ny voninahitro amin'ny vovoka.",
"6": "Jehovah o, mitsangana amin'ny fahatezeranao; misandrata hisakana ny fisafoaky ny mpampahory ahy; ary mifohaza hanampy ahy, fa didy marina no navoakanao;",
"7": "Aoka ny firenena maro hivory manodidina Anao; ary miverena ho any amin'ny avo eo amboniny Hianao,",
"8": "Jehovah hitsara ny firenena; Jehovah o, tsarao aho araka ny fahamarinako sy ny tsi-fananako tsiny.",
"9": "Aoka ho tapaka ny ratsy ataon'ny ratsy fanahy, fa ampitoero kosa ny marina; fa Andriamanitra marina no mamantatra ny fo sy ny voa.",
"10": "Ny ampingako dia ao amin'Andriamanitra, Mpamonjy ny mahitsy fo.",
"11": "Mpitsara marina Andriamanitra, eny Andriamanitra Izay tezitra isan'andro.",
"12": "Raha tsy ibebahana Izy, dia hanasa ny sabany; efa manenjana ny tsip�kany Izy ka manamboatra azy,[Na: iverenana]",
"13": "Ary ireo dia kendreny amin'ny fiadiana mahafaty; ny zana-tsip�kany ataony mirehitra.",
"14": "Indro, efa marary hiteraka zava-poana ireo; eny, torontoronina fampahoriana izy ary mitera-doza; [Heb: lainga]",
"15": "Mihady lavaka izy ka manalalaka izany, dia latsaka ao anatin'ny longoa nataony ihany izy;",
"16": "Mitsingerina ho eo an-dohany ihany ny fampahoriany; ary eo an-tampon-dohany ihany no ianjeran'ny loza nataony.",
"17": "Hidera an'i Jehovah araka ny fahamarinany aho, ary hankalaza ny anaran'i Jehovah Avo Indrindra."
},
"8": {
"1": "Ho an'ny mpiventy hira Al-hagitith. Salamo nataon'i Davida. Jehovah, Tomponay o, endrey ny voninahitry ny anaranao amin'ny tany rehetra! nataonao eny amin'ny lanitra ny voninahitrao.",
"2": "Avy amin'ny vavan'ny ankizy madinika sy ny minono no nanorenanao hery noho ny mpandrafy Anao, mba hampanginanao ny fahavalo sy izay ta-hamaly ratsy.",
"3": "Raha jereko ny lanitrao, izay asan'ny rantsan-tananao, sy ny volana aman-kintana, izay noforoninao,",
"4": "Inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak'olombelona, no amangianao azy?",
"5": "Fa efa nataonao ambany kely noho Andriamanitra izy, ary efa nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana.",
"6": "Efa nampanjakainao amin'ny asan'ny tananao izy; ny zavatra rehetra dia efa nataonao eo ambanin'ny tongony,",
"7": "Dia ny ondry aman'osy sy ny omby rehetra, ary ny bibidia koa,",
"8": "Mbamin'ny voro-manidina sy ny hazandrano any an-dranomasina,izay mandeha amin'ny lalan-dranomasina.",
"9": "Jehovah Tomponay o, endrey ny voninahitry ny anaranao amin'ny tany rehetra!"
},
"9": {
"1": "Ho an'ny mpiventy hira, Almoth-laben. Salamo nataon'i Davida. Hidera an'i Jehovah amin'ny foko rehetra aho; hanambara ny fahagaganao rehetra aho.",
"2": "Ho faly sy ho ravoravo aminao aho; hankalaza ny anaranao aho ry Avo Indrindra o,",
"3": "Satria lasa nihodina ny fahavaloko, nirepirepy izy ka ringana tsy ho eo anatrehanao.",
"4": "Fa efa nitsara ahy Hianao ka nanome ahy ny rariny; mipetraka eo amin'ny seza fitsaranao Hianao ho Mpitsara marina.",
"5": "Efa nanarinao mafy ny jentilisa, efa naringanao ny ratsy fanahy, ny anarany efa nokosehinao ho faty mandrakizay doria.",
"6": "Ny amin'ny fahavalo, dia tanteraka ho mandrakizay ny fandravana azy; ary izay tanana efa noravanao, dia very na dia ny fahatsiarovana azy aza.[Na: Ry fahavalo tanteraka ho mandrakizay ny fandravana]",
"7": "Kanefa Jehovah mitoetra mandrakizay, efa nametraka ny sezany hitsarany Izy,",
"8": "Ary Izy hitsara izao tontolo izao amin'ny fahamarinana, eny hitsara ny firenena amin'ny fahitsiana Izy.",
"9": "Ka dia Jehovah no ho fiarovana avo ho an'ny mahantra, ho fiarovana avo amin'ny andro fahoriana Izy.",
"10": "Ary hatoky Anao izay mahalala ny anaranao; fa tsy foinao izay mitady Anao, Jehovah o.",
"11": "Mankalaza an'i Jehovah,Izay mitoetra any Ziona; ambarao any amin'ny firenena ny asany.",
"12": "Fa izay manadin-dra dia mahatsiaro ny ory; tsy manadino ny fitarainany Izy.",
"13": "Mamindra fo amiko, Jehovah o; mitsinjova ny fahoriako avy amin'izay mankahala ahy, Ry Mpanandratra ahy ho afaka amin'ny vavahadin'ny fahafatesana,",
"14": "Mba holazaiko avokoa ny fiderana Anao rehetra; eo am-bavahadin'i Ziona zanakavavy no hifaliako amin'ny famonjenao.",
"15": "Ny jentilisa efa latsaka tamin'ny lavaka izay nohadiny, ny fandrika harato izay nafeniny efa nahazo ny tongony,",
"16": "Jehovah efa nanao izay mampiseho ny tenany ho Mpitsara; namandrika ny ratsy fanahy tamin'ny asan'ny tanany Izy.",
"17": "Hiverina ho any amin'ny fiainan-tsi-hita ny ratsy fanahy, dia ny jentilisa rehetra izay manadino an'Andriamanitra.[Heb. Sheola]",
"18": "Fa tsy ho mandrakizay no hanadinoana ny malahelo; ary tsy ho very mandrakizay ny fanantenan'ny mahantra.",
"19": "Mitsangana, Jehovah o, aoka tsy hahery ny olona; aoka hotsaraina eo anatrehanao ny jentilisa.",
"20": "Asio fampahatahorana izy, Jehovah o; aoka ho fantatry ny jentilisa fa olona ihany izy. [Na: fampianarana]"
},
"10": {
"1": "Jehovah o, nahoana no mijanona eny lavitra eny Hianao ka miery amin'ny andro fahoriana?",
"2": "Noho ny fireharehan'ny ratsy fanahy dia enjehina mafy ny malahelo; azon'ny fahendrena nataony izy ireny.[Na: miolomay manenjika ny malahelo izy]",
"3": "Ny ratsy fanahy mandoka izay irin'ny fony; ary ny mpierina mahafoy sy manamavo an'i Jehovah.",
"4": "Ny ratsy fanahy mirehareha hoe: Tsy hanadina Izy; eny, \"Tsy misy Andriamanitra\" no tontalin-keviny.",
"5": "Tanteraka mandrakariva ny alehany; any amin'ny avo lavitra azy ny fitsaranao; ny mpandrafy azy rehetra dia ataony hoe: zinona ireny? [Heb. Mahery]",
"6": "Hoy izy am-pony: tsy hangozohozo aho, tsy ho azon-doza mandrakizay doria aho.",
"7": "Feno ozona sy fitaka ary fanaovana an-keriny ny vavany; ao ambanin'ny lelany dia misy fampahoriana sy faharatsiana.",
"8": "Mamitsaka amin'ny fanotrehana ao an-tanana izy, ao an-katakonana no amonoany ny marina; ny masony mikendry ny mahantra.",
"9": "Manotrika ao an-katakonana tahaka ny liona ao amin'ny famitsahany izy; manotrika hisambotra ny malahelo izy; fandrihany amin'ny haratony no fisambony ny malahelo.",
"10": "Torotoro sy mitanondrika ny mahantra ka lavo amin'ny herin'ny ratsy fanahy.",
"11": "Hoy izy anakampony: efa nanadino Andriamanitra, efa nanafina ny tavany Izy ka tsy hahita mandrakizay.",
"12": "Mitsangana, Jehovah o; Andriamanitra o, atsangano ny tananao, aza manadino ny ory.",
"13": "Nahoana no mamingavinga an'Andriamanitra ny ratsy fanahy ka manao anakampo hoe: Tsy hanadina Hianao?",
"14": "Efa nahita ihany Hianao, satria mijery fahoriana sy alahelo, mba hovalian'ny tananao. Hianao no iononan'ny mahantra; Hianao no Mpamonjy ny kamboty.",
"15": "Torotoroy ny sandrin'ny ratsy fanahy; ary adino ny heloky ny mpanao ratsy mandra-paha-tsy hisy hitanao intsony.",
"16": "Jehovah no Mpanjaka mandrakizay doria; voafongotra tsy ho amin'ny taniny intsony ny jentilisa.",
"17": "Efa nohenoinao, Jehovah o, ny irin'ny mpandefitra; mampiomana ny fony Hianao sady mampihaino ny sofinao,",
"18": "Hanomezanao rariny ny kamboty sy ny mahantra, mba tsy handroso hampitahotra intsony ny zanak'olombelona ety; an-tany."
},
"11": {
"1": "Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'i Davida. Jehovah no ialofako; ahoana no anaovanareo amin'ny fanahiko hoe: mandosira ho any an-tendrombohitrareo toy ny voron-kely? [Na: ry voronkely]",
"2": "Fa, indro, ny ratsy fanahy manenjana ny tsip�kany; efa nanamboatra ny zana-tsip�kany eo amin'ny kofehy izy, nikendry tao amin'ny maizina hitifitra ny mahitsy fo.",
"3": "Fa rava ny fanorenana, ka inona indray no azon'ny marina atao?[Na: voazera ny andry]",
"4": "Jehovah dia ao amin'ny tempoliny masina, ny seza fiandrianan'i Jehovah dia any an-danitra; ny masony mijery, eny, ny hodi-masony mizaha toetra ny zanak'olombelona.",
"5": "Jehovah mizaha toetra ny marina; fa ny ratsy fanahy sy ny mifaly hampidi-doza dia samy halan'ny fanahiny.",
"6": "Handatsaka fandrika amin'ny ratsy fanahy Izy tahaka ny fandatsaka ranonorana; afo sy solifara ary rivo-mahamay no ho anjara kapoakany.",
"7": "Fa marina Jehovah, ka fahamarinana no tiany; ny mahitsy no hahita ny tavany.[Na: Ny mahitsy no hitan'ny tavany]"
},
"12": {
"1": "Ho an'ny mpiventy hira. Al-hasheminith. Salamo nataon'i Davida. Vonjeo, Jehovah o, fa efa lany ny tsara fanahy; eny, tsy misy mahatoky intsony eo amin'ny zanak'olombelona.",
"2": "Samy milaza lainga amin'ny namany amin'ny molotra mandrobo izy; fo mamorom-pitaka no itenenany.",
"3": "Holevonin'i Jehovah anie ny molotra mandrobo rehetra sy ny lela miteny avonavona,",
"4": "Izay manao hoe: hampahery anay ny lelanay;miandany aminay ny molotray; iza no tomponay?",
"5": "Noho ny fampahoriana ny ory sy ny fisentoan'ny malahelo, dia hitsangana Aho ankehitriny, hoy Jehovah; hovonjeko izay vingavingain'ny sasany. [Na: Hataoko mahita ny famonjena iriny izy]",
"6": "Ny tenin'i Jehovah dia teny madio, tahaka ny volafotsy voarendrika tao anatin'ny memy ka mitsoriaka amin'ny tany eny, voadio impito.",
"7": "Hianao, Jehovah o, no hiaro azy, Hianao no hiambina azy mandrakizay tsy ho azon'ity taranaka ity.",
"8": "Raha avy izay isandratan'ny tsinontsinona eo amin'ny zanak'olombelona, dia mieboebo ombieniombieny ny ratsy fanahy. Fitarainana ataon'izay azom-pahoriana mafy loatra."
},
"13": {
"1": "Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Jehovah o, mandra-pahoviana no mbola hanadinoanao ahy ihany? Mandra-pahoviana no mbola hanafenanao ny tavanao amiko?",
"2": "Mandra-pahoviana no mbola hisaintsainako am-panahy, sy hahalahelovako am-po isan'andro? Mandra-pahoviana no mbola hisandratan'ny fahavaloko ho amboniko?",
"3": "Jereo aho ka valio, Jehovah Andriamanitro o; ampahazavao ny mazoto, fandrao renoky ny torimaso fahafatesana aho;",
"4": "Fandrao ny fahavaloko hanao hoe: naharesy azy aho, fandrao hifaly ny rafilahiko, raha mangozohozo aho.",
"5": "Fa raha izaho kosa, dia ny famindram-ponao no itokiako; ho faly amin'ny famonjenao ny foko.",
"6": "Hihira ho an'i Jehovah aho, satria nanisy soa ahy Izy;"
},
"14": {
"1": "Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'i Davida. Ny adala manao anakampo hoe: tsy misy Andriamanitra. Manao izay ratsy sy vetaveta izy; tsy misy manao ny tsara.",
"2": "Eny an-danitra Jehovah miondrika mijery ny zanak'olombelona, mba hizaha na misy hendry mitady an'Andriamanitra.",
"3": "Samy efa nivily izy rehetra ka tonga vetaveta avokoa; tsy misy manao ny tsara, na dia iray akory aza.",
"4": "Tsy mahalala va ny mpanao ratsy rehetra, izay mihinana ny oloko toy ny fihinan-kanina, ary Jehovah tsy antsoiny?",
"5": "Indreo, matahotra dia matahotra izy, satria Andriamanitra no eo amin'ny taranaka marina.",
"6": "Na dia foananareo aza ny fisainan'ny ory, Jehovah kosa no arony.",
"7": "Enga anie ka hivoaka avy ao Ziona ny famonjena ny Isiraely! Raha ampodin'i Jehovah avy amin'ny fahababoana ny olony, dia ho faly Jakoba, ary ho ravoravo Isiraely."
},
"15": {
"1": "Salamo nataon'i Davida. Jehovah o, iza no hitoetra ao amin'ny tabernakelinao? iza no honina ao an-tendrombohitrao masina?",
"2": "Izay mandeha tsy misy tsiny ary manao izay mahitsy, sady misaintsaina ny marina ny fony;",
"3": "Tsy manendrikendrika amin'ny lelany, sady tsy manisy ratsy ny sakaizany, ary tsy manao izay hahafa-baraka ny namany,",
"4": "Tsy manaja ny ratsy fanahy, fa manome voninahitra ny matahotra an'i Jehovah; tsy mivadika amin'ny fianianany, na dia maningotra ny tenany aza, [Heb: Ny lavina. Na: Izay mietry sy maniva tena]",
"5": "Sady tsy mampihana ny volany, na mandray kolikoly hanameloka ny marina, izay mitandrina izany dia tsy mba hangozohozo mandrakizay."
},
"16": {
"1": "Miktama nataon'i Davida. Arovy aho, Andriamanitra o, fa mialoka aminao aho.",
"2": "Hoy izaho ny amin'i Jehovah: Tompoko Hianao; tsy misy soa ananako azo oharina aminao;",
"3": "Ary ny amin'ny olona masina ambonin'ny tany, ireo no olona tsara laza izay sitrako indrindra. [Na: Dia izaho sy ny olona ambonin'ny tany, Ary ny olona tsara laza izay sitrako indrindra]",
"4": "Ho be ny fahorian'izay manova an'Andriamanitra hatakalony ny hafa. Tsy mba hanatitra ny fanati-dra aidiny aho, ary tsy mba hotononin'ny molotro ny anarany.",
"5": "Jehovah no anjara lovako sy kapoakako; Hianao no mampaharitra ny anjarako.",
"6": "Ny voafaritra ho anjarako dia eo amin'ny tany mahafinaritra; eny, manan-dova tsara aho.",
"7": "Hisaotra an'i Jehovah Izay manome saina ahy aho; ary na amin'ny alina aza dia mananatra ahy ny foko. [Na: mamporisika][Heb: voako]",
"8": "Ataoko eo anatrehako mandrakariva Jehovah, fa eo an-kavanako Izy, ka dia tsy hangozohozo aho.",
"9": "Izany no ifalian'ny foko sy iravoravoan'ny fanahiko; eny, ny nofoko aza hitoetra tsy manana ahiahy.[Heb: voninahitro]",
"10": "Fa tsy ho foinao ho any amin'ny fiainan-tsi-hita ny aiko; tsy hamela ny Iray Masinao ho latsaka ao amin'ny lavaka Hianao.[Heb: Sheola][Heb: hahita][Na: ho tratry ny lo]",
"11": "Hampahafantatra ahy ny lalan'aina Hianao; fa havokisam-pifaliana no eo anatrehanao, ary fahafinaretana no eo an-tananao an-kavanana mandrakizay."
},
"17": {
"1": "Fivavak'i Davida. Jehovah o, mihainoa ny rariny, mandrenesa ny fitarainako, atongilano ny sofinao amin'ny fivavako avy amin'ny molotra tsy misy fitaka.",
"2": "Hivoaka avy eo anatrehanao ny fitsarana ahy; ny masonao hijery marina.",
"3": "Nizaha toetra ny foko Hianao, namantatra ahy nony alina; nizaha toetra ahy tamin'ny memy Hianao, fa tsy nahita na inona na inona; ny vavako tsy hafa noho ny eritreritro. [Na: fa tsy nahita hevi-dratsy; Tsy ho diso ny vavako na: Mikasa tsy hampanota ny vavako aho]",
"4": "Ny amin'ny asan'ny olona, dia ny tenin'ny molotrao no nitandremako tsy ho amin'ny lalan'ny mpanao an-keriny.",
"5": "Ny diako maharitra eo amin'ny lalanao, tsy solafaka ny tongotro.",
"6": "Izaho miantso Anao, ka mamaly ahy Hianao, Andriamanitra o; atongilano amiko ny sofinao, ka henoy ny teniko.",
"7": "Ataovy mahagaga ny famindram-ponao, ry Mpamonjy amin'ny tananao ankavanana izay olona mialoka aminao, mba tsy ho azon'ny fahavalo.",
"8": "Arovy tahaka ny anakandriamaso aho, afeno ao ambanin'ny aloky ny elatrao,",
"9": "Mba tsy ho azon'ny ratsy fanahy izay mampahory ahy, dia ny fahavaloko masiaka, izay manodidina ahy.",
"10": "Efa mihirim-belona izy; teny miavonavona no aloaky ny vavany.",
"11": "Manodidina anay amin'ny alehanay ankehitriny izy, Vandrininy hapotrany amin'ny tany izahay;[Na: Ahy]",
"12": "Ny fijery azy dia tahaka ny liona noana ta-hamiravira, sy tahaka ny liona tanora mamitsaka ao am-pierena.",
"13": "Mitsangana, Jehovah o, sakano izy, aripaho izy; vonjeo amin'ny sabatrao ny fanahiko tsy ho azon'ny ratsy fanahy;",
"14": "Vonjeo amin'ny tananao aho, Jehovah o, mba tsy ho azon'ny olon'izao tontolo izao, izay manana ny anjarany amin'izao fiainana izao, sady fenoinao ny harenao ny kibony; Maro anaka izy, dia mamela ny fananany be ho an'ny zanany madinika.",
"15": "Fa izaho kosa, dia aoka hahita ny tavanao amin'ny fahamarinana; aoka ny endrikao no hahafa-po ahy, raha mifoha."
},
"18": {
"1": "Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'i Davida, mpanompon'i Jehovah, izay nilaza tamin'i Jehovah ny tenin'ity fihirana ity tamin'ny andro namonjen'i Jehovah azy tamin'ny tanan'ny fahavalony rehetra, indrindra fa tamin'ny tanan'i Saoly; dia hoy izy: mamiko indrindra Hianao, Jehovah Heriko o.",
"2": "Jehovah no harambatoko sy batery fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy; Andriamanitro, vatolampy ialofako, sy ampingako ary tandroka famonjena ahy sy fiarovana avo ho ahy.",
"3": "Miantso an'i Jehovah izay mendrika hoderaina aho, ka dia vonjena ho afaka amin'ny fahavaloko.",
"4": "Nihodidina tamiko ny famatoram-pahafatesana, ary ny riaky ny faharatsiana nampahatahotra ahy.",
"5": "Ny famatoran'ny fiainan-tsi-hita nihodidina tamiko; nisakana ahy ny fandriky ny fahafatesana.[Heb: Sheola]",
"6": "Fony azom-pahoriana aho, dia niantso an'i Jehovah, eny, Andriamanitro no nitarainako; nihaino ny feoko tao an-tempoliny Izy, ary ny fitarainako teo anatrehany dia efa tonga teo an-tsofiny.",
"7": "Dia nihozongozona sy nihorohoro ny tany, ary ny fanambanin'ny tendrombohitra nihorohoro; eny, nihozongozona ireo, satria tezitra Jehovah.",
"8": "Nisy setroka nisavoana teo am-bavorony, ary afo avy teo am-bavany no nandevona ka nisy vainafo nidedadeda teo aminy.",
"9": "Dia naondriny ny lanitra, ka nidina Izy; ary aizim-pito no teo ambanin'ny tongony.",
"10": "Dia nitaingina kerobima Izy ka nanidina; eny, nanidina faingana tamin'ny ela-drivotra Izy.",
"11": "Efa nanao ny maizina ho fiereny sy tranony manodidina Azy Izy, dia rahona ngalingaly rahona matevina.[Heb: aizin-drano]",
"12": "Ary teo amin'ny famirapiratana teo anatrehany dia nandalo ny rahony matevina havandra sy vainafo.",
"13": "Dia nampikotroka tany an-danitra Jehovah, ny Avo Indrindra niloa-peo. Havandra sy vainafo.",
"14": "Dia nandefa ny zana-tsip�kany Izy ka nampiely ny fahavaloko. Ary nampandeha helatra be ka nampifanaritaka azy.",
"15": "Dia hita ny mason-drano, ary niseho ny fanambanin'ny tany noho ny teny mafy nataonao, Jehovah o, noho ny fifofofofon'ny fofonain'ny vavoronao.",
"16": "Naninjitra ny tanany avy tany ambony Izy ka nandray ahy; nanintona ahy niala tamin'ny rano be Izy;",
"17": "Namonjy ahy tamin'ny fahavaloko mahery Izy sy tamin'izay nankahala ahy, satria tsy leoko ireny",
"18": "Nisakana ahy tamin'ny andro nahitako loza ireny, nefa Jehovah no niseho ho Mpanohana ahy.",
"19": "Dia nitondra ahy ho any amin'ny malalaka Izy; namonjy ahy Izy, satria tiany aho.",
"20": "Nanisy soa ahy araka ny fahamarinako Jehovah; araka ny fahadiovan'ny tanako no namaliany ahy.",
"21": "Fa nitandrina ny lalan'i Jehovah aho, ka tsy mba nanao ratsy hialana tamin'Andriamanitro;",
"22": "Ny fitsipiny rehetra dia teo anatrehako, ary ny lalany tsy mba nampialaiko tamiko;",
"23": "Tsy nanan-tsiny taminy aho sady niaro tena tsy ho azon'ny fahotako;",
"24": "Koa namaly ahy araka ny fahamarinako Jehovah, dia araka ny fahadiovan'ny tanako teo imasony.",
"25": "Ny olona tsara no isehoanao fa tsara; ny tena olo-marina no isehoanao fa marina;",
"26": "Ny madio no isehoanao fa madio; ary ny mpiolakolaka kosa no isehoanao fa lalin-tsaina. [Heb: miolakolaka]",
"27": "Fa Hianao mamonjy ny olona ory; ary ny maso miandranandrana kosa aetrinao.",
"28": "Fa Hianao mampirehitra ny jiroko; Jehovah Andriamanitro no mampahazava ny fahamaizinako.",
"29": "Fa Hianao no ahazoako mitsarapaka hamely ny miaramila iray toko; ary Andriamanitro no ahazoako mitsambikina mihoatra ny manda.",
"30": "Raha ny amin'Andriamanitra, dia marina ny lalany; ny tenin'i Jehovah dia voazaha toetra amin'ny memy; Jehovah no ampingan'izay rehetra mialoka aminy.",
"31": "Fa iza no Andriamanitra afa-tsy Jehovah? ary iza no vatolampy afa-tsy Andriamanitsika?",
"32": "Izany Andriamanitra izany no mampisikina hery ahy sy manamarina ny alehako.",
"33": "Manao ny tongotro ho tahaka ny an'ny dieravavy Izy ka mampitoetra ahy eo amin'ny fitoerako avo.",
"34": "Mampianatra ny tanako hiady Izy, ka mahahenjana tsip�ka varahina ny sandriko.",
"35": "Omenao ahy ny ampingan'ny famonjenao; ny tananao ankavanana no manohana ahy, ary ny fahamoram-panahinao no mahalehibe ahy.",
"36": "Halalahinao ny lalana hodiaviko, ka tsy mangovitra ny hato-tongotro.",
"37": "Manenjika ny fahavaloko aho ka mahatratra azy; ary tsy mba miverina aho mandra-pahalany ritrany.",
"38": "Mamely mafy azy aho, ka tsy mahaleo izy; lavo eo ambanin'ny tongotro izy.",
"39": "Hianao mampisikina ahy hery hiady; aripakao ho ambaniko izay mitsangana hamely ahy.",
"40": "Ary ataonao miamboho ahy ny fahavaloko; ka aringako izay mankahala ahy.",
"41": "Mitaraina izy, fa tsy misy mpamonjy, dia amin'i Jehovah, fa tsy mamaly azy Izy.",
"42": "Torotoroiko madinika tahaka ny vovoka entin'ny rivotra izy; Tahaka ny fanary fotaka eny an-dalambe no fanariko azy.",
"43": "Mamonjy ahy amin'ny fifanoheran'ny olona Hianao. Sy manandratra ahy ho lohan'ny firenen-tsamy hafa; ny firenena tsy fantatro aza dia manompo ahy.",
"44": "Raha vao mahare ny lazako fotsiny ihany aza izy, dia manoa ahy; Ny hafa firenena mikoy ahy. [Na: Ny olona re laza ihany aza, dia hafa firenena, mikoy ahy]",
"45": "Ny hafa firenena dia mihaketraka, ka miala amin-kovitra avy ao amin'ny fiarovany mafy.",
"46": "Velona Jehovah; isaorana anie ny Vatolampiko; asandratra anie Andriamanitry ny famonjena ahy,",
"47": "Dia Andriamanitra, Izay manao famaliana ho ahy ka mampanaiky ny firenena ahy.",
"48": "Mamonjy ahy amin'ny fahavaloko Izy; eny, manandratra ahy ho ambonin'izay mitsangana hanohitra ahy Hianao, ary mamonjy ahy amin'ny olon-dozabe.",
"49": "Koa izany no hiderako Anao eny amin'ny firenen-tsamy hafa, Jehovah o, sy hankalazako ny anaranao.",
"50": "Manao famonjen-dehibe ho an'ny mpanjaka voatendriny Izy, ary mamindra fo amin'ny voahosony, dia amin'i Davida sy ny taranany mandrakizay."
},
"19": {
"1": "Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Ny lanitra mitory ny voninahitr'Andriamanitra; ary ny habakabaka manambara ny asan'ny tanany.",
"2": "Ny andro samy miteny amin'ny andro mandimby azy, ary ny alina samy manolo-pahalalana amin'ny alina mandimby azy.",
"3": "Tsy misy teny na fiteny anefa; tsy re izay feony. [Na: Izay tsy andrenesana ny feony; na: Izay tsy re ny feony]",
"4": "Efa nivoaka ho any amin'ny tany rehetra ny famolainany, ary ny teniny dia mihatra amin'ny faran'izao rehetra izao. Trano-lay ho an'ny masoandro no nataony teo aminy;[Na: feony]",
"5": "Ary ny masoandro dia tahaka ny mpampaka-bady mivoaka avy ao an-trano fandriany; sady mifaly tahaka ny lehilahy matanjaka mihazakazaka amin'ny alehany izy.",
"6": "Any amin'ny faravodilanitra ny fiposahany, ary ny alehany dia hatramin'ny farany koa, ka tsy misy takona amin'ny hafanany.",
"7": "Tsy misy tsiny ny lalan'i Jehovah, mamelombelona ny fanahy; mahatoky ny teni-vavolombelon'i Jehovah, mahahendry ny kely saina.",
"8": "Mahitsy ny fandidian'i Jehovah, mahafaly ny fo; madio ny didin'i Jehovah, mampahazava ny maso.",
"9": "Madio ny fahatahorana an'i Jehovah, maharitra mandrakizay; marina ny fitsipik'i Jehovah, eny, mahitsy avokoa.",
"10": "Irina noho ny volamena ireny, eny, noho ny tena volamena betsaka aza; ary mamy noho ny tantely, eny, noho ny tantely mitete avy amin'ny tohotra.",
"11": "Ary ny mpanomponao dia hazavain'ireny; amin'ny fitandremana azy misy valiny lehibe.",
"12": "Raha ny fahatsontsana, dia iza re no mahalala izany? ataovy tsy manan-tsiny aho ny amin'izay ota tsy fantatra.",
"13": "Arovy ny mpanomponao tsy ho azon'ny ota sahisahy; aoka tsy hanapaka ahy izany; dia ho marina tokoa aho ka tsy hanan-tsiny ny amin'izay fahadisoana lehibe.",
"14": "Aoka ny tenin'ny vavako sy ny fisainan'ny foko samy hankasitrahana eo imasonao, Jehovah o, Vatolampiko sy Mpanavotra ahy."
},
"20": {
"1": "Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Hihaino anao anie Jehovah amin'ny andro fahoriana; hitondra anao ho any amin'ny avo anie ny anaran'Andriamanitr'i Jakoba.",
"2": "Hahatonga famonjena ho anao avy amin'ny fitoerana masina anie Izy, ary hanohana anao avy any Ziona.",
"3": "Hahatsiaro ny fanatitra hohaninao rehetra anie Izy, ary hankasitraka ny fanatitra doranao.",
"4": "Hanome anao araka ny fonao anie Izy ary hahatanteraka ny fisainanao rehetra.",
"5": "Aoka hihoby noho ny famonjena azonao izahay, ary amin'ny anaran'Andriamanitray no hanangananay faneva; ho tanterahin'i Jehovah anie ny angatahinao rehetra.",
"6": "Ankehitriny dia fantatro fa Jehovah mamonjy ny voahosony; hamaly azy avy amin'ny lanitry ny fahamasinany Izy amin'ny herin'ny famonjen'ny tanany ankavanana.",
"7": "Ny sasany mitoky amin'ny kalesy, ary ny sasany amin'ny soavaly; Fa raha izahay kosa, dia ny anaran'i Jehovah Andriamanitray no hoderainay.",
"8": "Ireo dia reraka sady lavo; fa izahay kosa efa mitsangana sy mijoro,",
"9": "Jehovah o, vonjeo ny mpanjaka; hamaly anay anie Izy amin'izay andro iantsoanay Azy.[Na: Jehovah o, vonjeo! Hamaly anay anie ny Mpanjaka]"
},
"21": {
"1": "Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Jehovah o, ny herinao no hifalian'ny mpanjaka; ary endrey ny haben'ny hiravoravoany amin'ny famonjenao!",
"2": "Ny nirin'ny fony dia nomenao azy, ary ny nangatahin'ny molony tsy mba nolavinao.",
"3": "Fa notsenainao fitahiana soa izy; teo an-dohany nasianao satro-boninahitra tena volamena.",
"4": "Aina no nangatahiny taminao, dia nomenao azy izany, dia andro lava mandrakizay doria.",
"5": "Lehibe ny voninahiny amin'ny famonjenao; Laza sy voninahitra no nataonao taminy.",
"6": "Fa nataonao ho fitahiana mandrakizay izy; ampifalinao indrindra amin'ny tavanao izy.",
"7": "Fa ny mpanjaka matoky an'i Jehovah, ary noho ny famindram-pon'ny Avo Indrindra dia tsy hangozohozo izy.",
"8": "Ho azon'ny tananao ny fahavalonao rehetra; eny, ho azon'ny tananao ankavanana ny mankahala anao;",
"9": "Hataonao tahaka ny fatana misy afo mirehitra izy amin'ny andro hisehoanao, Jehovah handany azy amin'ny fahatezerany, ary handevona azy ny afo.",
"10": "Ny zanany haringanao tsy ho eo amin'ny tany, ary ny taranany tsy ho eo amin'ny zanak'olombelona;[Heb: vokany]",
"11": "Fa nikasa hanisy ratsy anao izy, ka namoron-kevi-dratsy fa tsy nahefa.",
"12": "Fa hampiamboho azy ianao; ny tsip�kanao no ikendrenao ny tavany.",
"13": "Misandrata amin'ny herinao, Jehovah o, hihira sy hankalaza ny herinao izahay."
},
"22": {
"1": "Ho an'ny mpiventy hira. Alaieleth-hasahara. Salamo nataon'i Davida. Andriamanitra o, Andriamanitro o, nahoana no dia mahafoy ahy Hianao? Lavitra ny famonjena ahy ny tenin'ny fitarainako.",
"2": "Andriamanitro o, miantso aho nony andro, nefa tsy mamaly Hianao; ary nony alina, nefa tsy mahita fiononana aho.",
"3": "Kanefa masina Hianao, Ry mipetraka eo ambonin'ny fideran'ny Isiraely.",
"4": "Hianao no nitokian'ny razanay; Natoky izy, ka namonjy azy Hianao.",
"5": "Hianao no nitarainany, ka afaka izy; Hianao no nitokiany, ka tsy menatra izy.",
"6": "Ary izaho dia olitra, fa tsy olona, fandatsan'olona sy fanevatevam-bahoaka.",
"7": "Izay rehetra mahita ahy dia manaraby ahy; manondro molotra izy sady mihifikifi-doha ka manao hoe:",
"8": "Ankino amin'i Jehovah, dia aoka Izy hamonjy azy; eny, aoka Izy hanafaka azy, raha mankasitraka azy Izy.[Na: Efa niankina tamin'i Jehovah izy]",
"9": "Fa Hianao no nampivoaka ahy avy tao an-kibo; nampandry ahy fahizay ianao, fony aho mbola nampinonoin'ny reniko;",
"10": "Nankinina taminao hatrany am-bohoka aho; hatrany an-kibon-dreniko dia Andriamanitro Hianao.",
"11": "Aza manalavitra ahy Hianao, fa akaiky ny fahoriana, sady tsy misy mpamonjy.",
"12": "Mitangorona amiko ireo ombilahy be, ny maherin'i Basana manemitra ahy.",
"13": "Misanasana vava amiko izy; eny, liona mamiravira sy mierona izy.",
"14": "Efa rano aidina aho, ka mivaha ny taolako rehetra; tahaka ny savoka ny foko: miempo ato anatiko izy.",
"15": "Maina tahaka ny tavim-bilany ny heriko, ary ny lelako miraikitra amin'ny lanilaniko; ao amin'ny vovoky ny fahafatesana no ametrahanao ahy.",
"16": "Fa mitangorona amiko ny amboa, ny fiangonan'ny ratsy fanahy manemitra ahy. Manindrona ny tongotro aman-tanako izy [Na: Manodidina ny tongotro aman-tanako hoatra ny liona izy]",
"17": "Mahisa ny taolako rehetra aho ireo dia mibanjina sady mangarika ahy.",
"18": "Mizara ny fitafiako ho azy izy; ary ny akanjoko ilokany.",
"19": "Fa Hianao, Jehovah o, aza manalavitra; ry Heriko o, faingana hamonjy ahy.",
"20": "Vonjeo amin'ny sabatra ny fanahiko, dia ny hany malalako amin'ny herin'ny amboa.",
"21": "Vonjeo amin'ny vavan'ny liona aho; ary valio ho afaka amin'ny tandroky ny ombimanga. [Na: teo amin'ny tandroky ny ombimanga dia novalianao aho]",
"22": "Hitory ny anaranao amin'ny rahalahiko aho; eo amin'ny fiangonana no hiderako Anao.",
"23": "Hianareo izay matahotra an'i Jehovah, midera Azy; ry taranak'i Jakoba rehetra, manomeza voninahitra Azy; ary matahora Azy, ry Zanak'Isiraely rehetra.",
"24": "Fa tsy manao tsinontsinona na marikorikon'ny fahorian'ny ory Izy, ary tsy mba manafina ny tavany aminy; fa raha mitaraina aminy ireny, dia mihaino Izy.",
"25": "Avy aminao no ahazoako manao fiderana eo amin'ny fiangonan-dehibe; ny voadiko dia hefaiko eo anatrehan'izay matahotra an'i Jehovah.",
"26": "Hihinana ny mpandefitra ka ho voky; hidera an'i Jehovah izay mitady azy; ho velona mandrakizay anie ny fonareo.",
"27": "Hahatsiaro ka hiverina ho amin'i Jehovah ny faran'ny tany rehetra; ary hiankohoka eo anatrehanao ny fokon'ny firenen-tsamy hafa.",
"28": "Fa an'i Jehovah ny fanjakana; ary manapaka amin'ny firenen-tsamy hafa Izy.",
"29": "Hihinana sy hiankohoka ny mpanefoefo rehetra ambonin'ny tany, eo anatrehany no hiondrehan'izay rehetra efa hidina any amin'ny vovoka ka tsy mahavelona ny ainy.[Heb: matavy]",
"30": "Hisy taranaka hanompo Azy; ary ny Tompo dia holazaina amin'ny taranaka ho avy.",
"31": "Hisy ho avy ka hanambara ny fahamarinany, amin'ny olona izay mbola hateraka, fa Izy no nanao izany."
},
"23": {
"1": "Salamo nataon'i Davida. Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho,",
"2": "Mampandry ahy amin'ny ahi-maitso Izy; mitondra ahy eo amoron'ny rano fialan-tsasatra Izy.",
"3": "Mamelombelona ny fanahiko Izy; mitarika ahy amin'ny lalan'ny fahamarinana noho ny anarany Izy.",
"4": "Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza aho, fa Hianao no amiko; ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafa-tahotra ahy.",
"5": "Mamelatra latabatra eo anoloako eo imason'ny fahavaloko Hianao; manosotra diloilo ny lohako Hianao; ny kapoakako feno dia feno.",
"6": "Eny tokoa, fahasoavana sy famindram-po no hanaraka ahy amin'ny andro rehetra hiainako, dia hitoetra ao an-tranon'i Jehovah andro lava aho."
},
"24": {
"1": "Salamo nataon'i Davida. An'i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy. Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy.",
"2": "Fa Izy no nanorina azy tambonin'ny ranomasina. Tambonin'ny rano no nampitoerany azy.",
"3": "Iza no hiakatra any an-tendrombohitr'i Jehovah? ary iza no hitoetra ao amin'ny fitoerany masina?",
"4": "Izay madio tanana sy mahitsy fo, izay tsy manandratra ny fanahiny ho amin'ny lainga, na mianiana hamitaka.",
"5": "Handray fitahiana avy amin'i Jehovah izy, ary fahamarinana avy amin'Andriamanitry ny famonjena azy.",
"6": "Izany no taranaka mitady Azy, izay mitady ny tavanao, dia Jakoba. [Na: Izay mitady ny tavanao, ry Andriamanitr'i Jakoba]",
"7": "Asandrato ny lohanareo, ry vavahady, ary misandrata ianareo, ry varavarana fahagola, mba hidiran'ny mpanjakan'ny voninahitra.[Na: mandrakizay]",
"8": "Iza izao Mpanjakan'ny voninahitra izao? Jehovah mahery tsitoha, Jehovah mpiady mahery.",
"9": "Asandrato ny lohanareo, ry vavahady; ary manandrata ny lohanareo, ry varavarana fahagola,2 mba hidiran'ny Mpanjakan'ny voninahitra.",
"10": "Iza ary izao Mpanjakan'ny voninahitra izao? Jehovah, Tompon'ny maro, Izy no Mpanjakan'ny voninahitra."
},
"25": {
"1": "Nataon'i Davida. Aminao, Jehovah o, no anandratako ny fanahiko.",
"2": "Andriamanitro o, Hianao no itokiako, aoka tsy ho menatra aho; aoka tsy hifalian'ny fahavaloko aho.",
"3": "Eny, tsy hisy ho menatra izay rehetra miandry Anao; fa izay mivadika foana no ho menatra.",
"4": "Ampahafantaro ny lalanao aho, Jehovah o; ampianaro ny sitrakao aho.",
"5": "Tariho amin'ny fahamarinanao aho, ka ampianaro; fa Hianao no Andriamanitry ny famonjena ahy; Hianao no andrasako mandritra ny andro.",
"6": "Tsarovy ny antranao sy ny indrafonao, Jehovah o, fa hatrizay hatrizay ireny.",
"7": "Aza ny fahotan'ny fahatanorako, na ny ratsy nataoko, no tsarovanao; fa aoka ho araka ny famindram-ponao no hahatsiarovanao ahy, noho ny fahasoavanao Jehovah o,",
"8": "Tsara sy mahitsy Jehovah, ka izany no ampianarany ny mpanota ny lalana.",
"9": "Mitarika ny mpandefitra amin'ny marina Izy, ary mampianatra ny mpandefitra ny lalany.",
"10": "Ny lalan'i Jehovah rehetra dia famindram-po sy fahamarinana amin'izay mitandrina ny fanekeny sy ny teni-vavolombelony.",
"11": "Noho ny anaranao, Jehovah o, dia mamela ny heloko, fa lehibe izany.",
"12": "Iza no lehilahy matahotra an'i Jehovah? Izy no hampianariny izay lalana tokony hofidiny.",
"13": "Ny fanahiny hitoetra amin'ny soa; ary ny taranany handova ny tany.",
"14": "Ny fisainan'i Jehovah asehony amin'izay matahotra Azy, ary ny fanekeny no hampahafantariny azy.",
"15": "Ny masoko mijery an'i Jehovah mandrakariva; fa Izy no nanafaka ny tongotro tamin'ny fandrika harato.",
"16": "Todiho aho, ka amindrao fo, fa irery aho ka mahantra.",
"17": "Ny fahorian'ny foko efa mihalehibe; afaho amin'ny fahatereko aho.",
"18": "Jereo ny fahoriako sy ny mavesatra amiko, ka mamela ny fahotako rehetra.",
"19": "Jereo ny fahavaloko, fa maro izy; ary loza ny fankahalany ahy.",
"20": "Arovy ny fanahiko, ka vonjeo aho; aoka tsy ho menatra aho, fa mialoka aminao.",
"21": "Aoka ny tsi-fisian-tsiny sy ny fahitsiana no hiaro ahy; fa miandry Anao aho.",
"22": "Andriamanitra o, afaho ny Isiraely, amin'ny fahoriany rehetra."
},
"26": {
"1": "Nataon'i Davida. Tsarao aho, Jehovah o, fa mandeha amin'ny fahamarinako aho; ary Jehovah no itokiako, ka tsy miahanahana aho.",
"2": "Diniho aho, Jehovah o, ka fantaro; izahao toetra ny voako sy ny foko.",
"3": "Fa ny famindram-ponao no eo anoloan'ny masoko; ary mandeha amin'ny fahamarinanao aho.",
"4": "Tsy mba miara-mipetraka amin'ny olon-dratsy aho, na manan-draharaha amin'ny olom-petsy.",
"5": "Halako ny fiangonan'ny mpanao ratsy; ary tsy miara-mipetraka amin'ny ratsy fanahy aho.",
"6": "Manasa ny tanako noho ny fahamarinako aho, ka te-hitoetra eo akaikin'ny alitaranao, Jehovah o,",
"7": "Mba hanao feo fiderana, ka hilaza ny asanao mahagaga rehetra.",
"8": "Jehovah o, tiako ny trano itoeranao, dia ny fonenan'ny voninahitrao.",
"9": "Aza mitondra ny fanahiko hiara-maty amin'ny mpanota, na ny aiko amin'ny mpandatsa-dra,",
"10": "Izay misy fitaka eny an-tanany, ary feno kolikoly ny tanany ankavanana.",
"11": "Fa izaho kosa dia mandeha amin'ny fahamarinako; avoty sy amindrao fo aho.",
"12": "Ny tongotro mijoro eo amin'ny tany marina; eo am-piangonana no isaorako an'i Jehovah."
},
"27": {
"1": "Nataon'i Davida Jehovah no fahazavako sy famonjena ahy; iza no hatahorako? Jehovah no fiarovana mafy ho an'ny aiko; iza no hangovitako?",
"2": "Raha manatona ahy hihinana ny nofoko ny ratsy fanahy, izay fahavaloko sy rafilahiko, dia izy ihany no tafintohina ka lavo.",
"3": "Na dia misy antokony mitoby hiady amiko aza, tsy hatahotra ny foko; na dia misy ady mihatra amiko aza, dia hatoky ihany aho.",
"4": "Zavatra iray loha no nangatahiko tamin'i Jehovah, izany no hotadiaviko, dia ny hitoetra ao an-tranon'i Jehovah amin'ny andro rehetra hiainako, mba ho faly mijery ny fahasoavan'i Jehovah sy mandinika ny tempoliny.",
"5": "Fa hanafina ahy ao an-trano fialofany amin'ny andro fahoriana Izy; hampiery ahy amin'ny fierena ao an-dainy Izy; hanandratra ahy ho eny ambony vatolampy Izy.",
"6": "Koa dia hisandratra ambonin'ny fahavaloko manodidina ahy ny lohako, ka hanatitra fanatitra hihobiana ao an-dainy aho; hihira sy hankalaza an'i Jehovah aho.",
"7": "Mihainoa, Jehovah o, fa mitaraina mafy aho; ary mamindra fo amiko, ka valio aho.",
"8": "Raha hoy Hianao: tadiavonareo ny tavako, dia hoy ny navalin'ny foko: Eny, ny tavanao no tadiaviko, Jehovah o;",
"9": "Aza manafina ny tavanao amiko, aza mandroaka ny mpanomponao an-katezerana; efa famonjena ahy Hianao; aza manary na mahafoy ahy, ry Andriamanitry ny famonjena ahy.",
"10": "Fa ny raiko aman-dreniko efa nahafoy ahy; fa Jehovah kosa no mandray ahy. [Na: Fa na dia mahafoy ahy aza ny ray aman-dreniko, dia ho-raisin'i Jehovah aho]",
"11": "Ampianaro ny lalanao aho, Jehovah o; ary tariho amin'ny lalana marina aho noho ny fahavaloko.",
"12": "Aza manolotra ahy ho amin'ny sitrapon'ny mpampahory ahy; fa vavolombelona mandainga sy izay mifofofofo loza no mitsangana hiampanga ahy.",
"13": "Raha izay re aho no tsy nanantena hahita ny fahasoavan'i Jehovah amin'ny tanin'ny velona.",
"14": "Miandrasa an'i Jehovah ianao; matokia, ary aoka hahery ny fonao; eny, miandrasa an'i Jehovah."
},
"28": {
"1": "Nataon'i Davida. Hianao no antsoiko, Jehovah o, Ry vatolampiko o, aza manentsin-tadiny amiko; fandrao, raha mangina amiko Hianao, dia ho tahaka izay midina any an-davaka aho.",
"2": "Mihainoa ny feon'ny fifonako, raha mitaraina aminao aho, raha manandratra ny tanako ho amin'ny fitoeranao masina indrindra aho.",
"3": "Aza atao indray manakipaka amin'ny ratsy fanahy sy ny mpanao meloka aho, fa ireny dia milaza fihavanana amin'ny namany, kanjo ratsy no ao am-pony.",
"4": "Manomeza azy araka ny asany sy ny faharatsian'ny ataony; eny, manomeza azy araka ny vitan'ny tanany, valio izy araka izay iendrehany.",
"5": "Fa tsy mihevitra ny asan'i Jehovah, na ny vitan'ny tanany, izy, dia horavan'i Jehovah izy, fa tsy haoriny.",
"6": "Isaorana anie Jehovah, fa efa nihaino ny feon'ny fifonako Izy.",
"7": "Jehovah no heriko sy ampingako; izy no nitokian'ny foko, ka voavonjy aho; dia mifaly ny foko, ka ny hirako no hiderako Azy.",
"8": "Jehovah no heriny, ary Izy no fiarovana mafy hamonjena ny voahosony.",
"9": "Vonjeo ny olonao, ary tahio ny lovanao; andraso izy, ka tezao mandrakizay.[Heb: ento]"
},
"29": {
"1": "Salamo nataon'i Davida. Manomeza an'i Jehovah, ry zanak'Andriamanitra, eny, manomeza voninahitra sy hery ho an'i Jehovah.",
"2": "Omeo an'i Jehovah ny voninahitry ny anarany; miankohofa eo anatrehan'i Jehovah amin'ny fihaingoana masina.",
"3": "Ny feon'i Jehovah no eny ambonin'ny rano be; Andriamanitry ny voninahitra no mampikotrokorana; Jehovah no eny ambonin'ny rano be.",
"4": "Ny feon'i Jehovah be hery; Ny feon'i Jehovah be voninahitra.",
"5": "Ny feon'i Jehovah manorotoro ny hazo sedera; eny, Jehovah manorotoro ny hazo sedera any Libanona.",
"6": "Dia mampitsambikina azy tahaka ny zanak'omby Izy, Libanona sy Siriona dia tahaka ny zanaky ny ombimanga.",
"7": "Ny feon'i Jehovah mampisaraka ny lelafo;",
"8": "Ny feon'i Jehovah mampihorohoro ny efitra; Jehovah mampihorohoro ny efitr'i Kadesy.",
"9": "Ny feon'i Jehovah mampiteraka ny dieravavy, ary mivofy ny ala be; ary ny ao an-tempoliny samy manao hoe: Voninahitra e!",
"10": "Jehovah nipetraka teo ambonin'ny safo-drano; eny, Jehovah mipetraka ho Mpanjaka mandrakizay.",
"11": "Jehovah hanome hery ny olony; Jehovah hitahy ny olony amin'ny fiadanana."
},
"30": {
"1": "Salamo. Fihirana tamin'ny nitokanana ny trano. Nataon'i Davida. Hanandratra Anao aho, Jehovah o; fa nanintona ahy niakatra Hianao, ka tsy nataonao ho fifalian'ny fahavaloko aho.",
"2": "Jehovah Andriamanitro o, nitaraina taminao aho, dia nahasitrana ahy Hianao.",
"3": "Jehovah o, efa nampakatra ny fanahiko avy tany amin'ny fiainan-tsi-hita Hianao; efa nampody ny aiko Hianao, mba tsy ho isan'izay midina any an-davaka aho.[Heb: Sheola]",
"4": "Mankalaza an'i Jehovah, ry olony masina, ka midera ny anarany masina.[Heb: fahatsiarovana]",
"5": "Fa indray mipi-maso ihany ny fahatezerany; nefa mandritra ny andro iainana kosa ny fankasitrahany; amin'ny hariva dia misy fitomaniana tonga hivahiny miloaka alina; Fa nony maraina kosa dia misy fihobiana.",
"6": "Ary hoy izaho, raha mbola niadana: tsy hangozohozo mandrakizay aho.[Heb: Na: noho ny fiadanako]",
"7": "Jehovah o, noho ny fankasitrahanao dia nampitoerinao mafy ny tendrombohitro; nanafina ny tavanao Hianao, dia ory aho.",
"8": "Hianao no nantsoiko, Jehovah o; ary Jehovah no nifonako hoe:",
"9": "Inona no soa azo amin'ny rako sy ny hidinako any an-davaka? Hidera Anao va ny vovoka? Hanambara ny fahamarinanao va izany?",
"10": "Mihainoa, Jehovah o, ka mamindra fo amiko; Jehovah o, aoka ho Mpamonjy ahy Hianao.",
"11": "Efa nampody ny fisaonako ho fandihizana Hianao; efa nanaisotra ny lamba fisaonako Hianao ka nampisikina ahy fifaliana,",
"12": "Mba hankalazan'ny fanahiko Anao ka tsy hangina. Jehovah Andriamanitro o, hidera Anao mandrakizay aho.[Heb: voninahitro]"
},