mg-bibles
Version:
A package for accessing Bible verses in Malagasy (MG), Diem, King James (KJV), and Louis Segond (APEE) versions
96 lines (95 loc) • 15.4 kB
JSON
{
"1": {
"1": "Ary tamin'ny andro nitsaran'ny mpitsara dia nisy mosary teo amin'ny tany. Ary nisy lehilahy avy any Betlehema-joda nandeha nivahiny tany amin'ny tany Moaba, dia izy sy ny vadiny mbamin'ny zanany roa lahy;",
"2": "Elimeleka no anaran-dralehilahy, ary Naomy no anaran'ny vadiny, ary ny anaran'ny zanany roa lahy dia Malona sy Kiliona, Efratita avy any Betlehema-joda izy ireo. Dia tonga tany amin'ny tany Moaba izy ka nitoetra tany.",
"3": "Ary maty Elimeleka, vadin'i Naomy ka izy sy ny zanany roa lahy ihany no sisa.",
"4": "Ary naka vady tamin'ny vehivavy Moabita izy roa lahy: Orpa no anaran'ny anankiray, ary Rota no anaran'ny anankiray; dia nitoetra tany Moaba tokony ho folo taona izy.",
"5": "Ary maty koa izy mirahalahy, dia Malona sy Kiliona, ka dia namoy ny zanany roa lahy sy ny vadiny ravehivavy.",
"6": "Dia niainga izy sy ny vinantoni-vavy ka nody avy tany amin'ny tany Moaba; fa efa reny tany amin'ny tany Moaba fa novangian'i Jehovah ny olony ka nomeny hanina.",
"7": "Dia niala tamin'izay nitoerany izy, ary ny vinantony roa vavy niaraka taminy; ary nandeha teny an-dalana izy hiverina any amin'ny tanin'ny Joda.",
"8": "Ary hoy Naomy tamin'ny vinantony roa vavy: Andeha, samy mody any amin'ny tranon-dreninareo avy ianareo; mba hohasoavin'i Jehovah anie ianareo araka izay efa nataonareo tamin'ny maty sy tamiko koa.",
"9": "Homen'i Jehovah tokan-trano anie ianareo ka hahita fiadanana amin'izay tranon'ny vadinareo avy. Dia nanoroka azy Naomy; ary izy roa vavy dia samy nanandratra ny feony ka nitomany.",
"10": "Dia hoy izy roa vavy taminy: Hiara-miverina aminao tokoa izahay ho any amin'ny firenenao.",
"11": "Fa hoy Naomy: Miverena ihany ianareo, anaka; nahoana no hiara-mandeha amiko ianareo? Mbola misy zazalahy va ato an-kiboko mba ho vadinareo?",
"12": "Miverena ihany ianareo, anaka, ka mandehana; fa efa antitra aho ka tsy hahazo vady intsony tsy akory. Raha hoy izaho: Manantena ihany aho, eny, na dia hanam-bady anio alina aza aho ka hiteraka zazalahy,",
"13": "moa hahandry azy mandra-pahalehibeny va ianareo ka hijanona tsy hanam-bady? Tsia, anaka, fa mangidy lavitra ny nanjo ahy noho ny nanjo anareo; fa ny tanan'i Jehovah efa nahinjiny hamely ahy.",
"14": "Dia samy nanandratra ny feony indray izy roa vavy ka nitomany; ary Orpa dia nanoroka ny rafozani-vavy, fa Rota kosa nifikitra taminy ihany.",
"15": "Ary hoy izy: Indro ny rahavavinao lasa nody ho any amin'ny fireneny sy ny andriamaniny ka mba miverena ianao koa hanaraka ny rahavavinao.",
"16": "Fa hoy Rota: Aza manery ahy handao anao sy hiala amin'ny fanarahana anao; fa izay alehanao no halehako ary izay itoeranao no hitoerako, ny firenenao no ho fireneko, ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro;",
"17": "izay tany hahafatesanao no hahafatesako, sady any koa no handevenana ahy; hataon'i Jehovah amiko anie izany, eny mihoatra noho izany aza, raha tsy ny fahafatesana ihany no hampisaraka antsika.",
"18": "Ary rehefa hitany fa mbola mikikitra homba azy ihany Rota, dia nitsahatra tsy niteny taminy intsony izy.",
"19": "Dia nandeha izy mianaka mandra-pahatongany tany Betlehema. Ary rehefa tonga tany Betlehema izy, dia taitra taminy ny tanana rehetra, ka hoy ny vehivavy hoe: Naomy va re ity?",
"20": "Fa hoy izy taminy: Aza atao hoe Naomy intsony aho, fa ataovy hoe Mara, satria mangidy indrindra ny nataon'ny Tsitoha amiko. [Naomy = Mahafinaritra][Mara = Mangidy]",
"21": "Nivoaka nanam-be aho, fa ampodin'i Jehovah tsy manana na inona na inona. Nahoana aho no ataonareo hoe Naomy, fa Jehovah efa nitsangan-ko fahavaloko, ary ny Tsitoha efa nampahory ahy?",
"22": "Dia niverina Naomy, ary Rota, vehivavy Moabita, vinantoni-vavy. nomba azy tamin'izy niverina avy tany amin'ny tany Moaba; dia tonga tao Betlehema izy tamin'ny niandohan'ny taom-pijinjana ny vary hordea."
},
"2": {
"1": "Ary nisy havan'ny vadin'i Naomy avy amin'ny fokon'i Elimeleka, lehilahy mpanjatobe, Boaza no anarany.",
"2": "Ary hoy Rota, vehivavy Moabita, tamin'i Naomy: Aoka aho hankany an-tsaha mba hitsimpona salohim-bary eo aorian'izay hahitako fitia eo imasony. Dia hoy izy taminy: Andeha ary, anaka.",
"3": "Dia lasa nandeha izy ka nitsimpona tany an-tsaha teo aorian'ny mpijinja; ary sendra tonga tany amin'ny tanimbarin'i Boaza, izay avy amin'ny fokon'i Elimeleka, izy.",
"4": "Ary, indro, Boaza tonga avy tany Betlehema ka niteny tamin'ny mpijinja hoe: Jehovah anie ho aminareo. Dia hoy kosa Ireo taminy: Hitahy anao anie Jehovah.",
"5": "Dia hoy Boaza tamin'ny zatovony, izay nitandrina ny mpijinja: Zanak'iza moa io zazavavy io?",
"6": "Dia namaly ilay zatovo nitandrina ny mpijinja ka nanao hoe: Zazavavy Moabita, izay niverina nomba an'i Naomy avy tany amin'ny tany Moaba io;",
"7": "fa hoy izy: Mas�na ianao aoka aho hitsimpona sy hanangona eo aorian'ny mpijinja eny anelanelan'ny amboara; dia tonga izy ka nijanona teto hatramin'ny maraina ka mandraka ankehitriny; kely foana no nitoerany tao an-trano.",
"8": "Dia hoy Boaza tamin'i Rota: Tsy mandre va ianao, anaka? Aza mandeha hitsimpona any an-tanimbary hafa na miala eto ianao, fa mitoera eto anilan'ny zatovovavy.",
"9": "Aoka ny masonao ho amin'ny tanimbary izay jinjany, ka manaraha eo aoriany ianao: tsy efa nodidiako va ny zatovo tsy haninona anao? Ary raha mangetaheta ianao, mankanesa eroa amin'ny siny, ka misotroa amin'izay antsakain'ny zatovo.",
"10": "Dia niondrika sy niankohoka tamin'ny tany Rota ka nanao taminy hoe: Ahoana no mba ahitako fitia eto imasonao sy itsinjovanao ahy, nefa vahiny ihany aho?",
"11": "Dia namaly Boaza ka nanao taminy hoe: Efa reko tsara izay rehetra nataonao tamin'ny rafozanao-vavy hatrizay nahafatesan'ny vadinao sy ny nahafoizanao ny rainao sy ny reninao mbamin'ny tany nahaterahanao sy nankanesanao aty; amin'ny firenena tsy mbola fantatrao.",
"12": "Hamaly ny nataonao anie Jehovah. ka homen'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, valim-pitia lehibe anie ianao, satria avy hialoka eo ambanin'ny elany ianao.",
"13": "Dia hoy Izy: Aoka hahita fitia eo imasonao aho, tompokolahy; fa efa nampifaly ahy ianao, ary efa niteny mora tamin'ny zatovovavinao, na dia tsy tahaka ny anankiray amin'ny zatovovavinao aza aho.",
"14": "Ary rehefa tonga ny fotoam-pisakafoana, dia hoy Boaza taminy: Mankanesa aty;, ka mihinana mofo, ary atsobohy amin'ny vinaingitra ny sombi-mofonao. Dia nipetraka teo anilan'ny mpijinja izy; ary nangalan-dralehilahy lango izy, dia nihinana ka voky, ary nisy sisa tsy laniny aza.",
"15": "Ary raha nitsangana hitsimpona izy, dia nodidian'i Boaza ny ankizilahiny hoe: Aoka izy hitsimpona na dia eny anelanelan'ny amboara aza, ka aza maninona azy.",
"16": "Ary asio latsadatsaka avy amin'ny amboara, ka avelao ireny hotsimponiny, fa aza rarana izy.",
"17": "Ary nitsimpona tany an-tsaha mandra-paharivan'ny andro Rota, dia nively izay efa voatsimpony, ka nisy vary hordea tokony ho iray efaha.",
"18": "Dia nentiny izany, ka nankany an-tanana izy, ary hitan'ny rafozani-vavy izay efa voatsimpony; ary navoakany koa ilay sisa tsy laniny tamin'ny nisakafoany ka nomeny ny rafozany.",
"19": "Dia hoy ny rafozanivavy taminy: Taiza no nitsimponanao androany, ary taiza no nanaovanao? Hotahina anie izay nitsinjo anao. Dia nambarany tamin'ny rafozani-vavy izay efa nitsimponany ka hoy izy: Boaza no anaran'ny lehilahy, izay tompon'ny tanimbary nitsimponako androany",
"20": "Dia hoy Naomy tamin'ny vinantonivavy: Hotahin'i Jehovah anie izay tsy nitsahatra hanao soa amin'ny velona sy ny maty. Ary hoy koa Naomy taminy: Havantsika akaiky ihany ralehilahy, ka isan'izay mahavotra antsika izy.",
"21": "Ary hoy Rota, vehivavy Moabita: Izao koa no nataony tamiko: Mitoera tsara eo anilan'ny zatovoko ianao mandra-pahatapitry ny fijinjana.",
"22": "Ary hoy Naomy tamin'i Rota vinantoni-vavy: Tsara izany, anaka, raha miara-mivoaka amin'ny ankizivavy ianao, fandrao hisy haninona anao raha any an-tsaha hafa.",
"23": "Ary izy tsy nety nisaraka tamin'ny zatovovavin'i Boaza, fa nitsimpona mandra-pahatapitry ny fijinjana ny vary hordea sy ny vary tritika; ary nitoetra tao amin'ny rafozani-vavy Izy."
},
"3": {
"1": "Dia hoy Naomy rafozani-vavy taminy: Tsy hitady izay tokan-trano hahitanao fiadanana va aho, anaka, mba hahasoa anao?",
"2": "Ary ankehitriny tsy isan'ny havantsika va Boaza, tompon'ny ankizivavy izay niarahanao? Indro, mikororoka vary hordea eo am-pamoloana izy anio alina.",
"3": "Koa mandroa sy mihosora diloilo ary miakanjoa, dia mid�na any am-pamoloana; nefa aza atao fanta-dralehilahy akory ianao, raha tsy efa avy nihinana sy nisotro izy.",
"4": "Ary rehefa mandry izy, dia fantaro izay andriany, ary mid�ra, ka songay ny lamba eo an-tongony, dia mandria eo ianao; ary holazainy aminao izay hataonao.",
"5": "Dia hoy izy taminy: Eny, fa hataoko izay rehetra lazainao amiko.",
"6": "Dia nidina tany am-pamoloana izy ka nanao araka izay rehetra nandidian'ny rafozani-vavy azy.",
"7": "Ary rehefa avy nihinana sy nisotro Boaza, ka faly ny fony, dia nandeha handry teo amin'ny faran'ny antontam-bary izy; fa nandeha nitsaitsaika kosa Rota, dia nanonga ny lamba teo an-tongony ka nandry teo.",
"8": "Ary nony namatonalina, dia taitra ralehilahy ka niarina hitsapa, ary, indro, nisy vehivavy nandry teo an-tongony.",
"9": "Dia hoy izy: Iza moa izato? Ary hoy kosa ravehivavy: Rota zatovovavinao aho; mba rakofy ny lambanao ny zatovovavinao, fa havana mahavotra ianao.",
"10": "Dia hoy izy: Hotahin'i Jehovah anie ianao, anaka; efa nanao soa be lavitra tamin'ny ato aoriana ianao noho ny tamin'ny voalohany, noho ny tsy nanarahanao ny zatovo, na ny malahelo, na ny manan-karena.",
"11": "Koa ankehitriny anaka, aza matahotra; hataoko aminao izay rehetra angatahinao; fa fantatr'izay rehetra ao an-tananan'ny fireneko fa vehivavy tsara ianao.",
"12": "Ary ankehitriny marina izany, fa havana mahavotra aho; nefa misy havana mahavotra akaiky kokoa noho izaho.",
"13": "Mitoera ihany aty; anio alina, ary rehefa maraina, raha hitondra loloha anao izy, dia tsara izany, aoka izy no hitondra loloha anao; fa raha tahiny kosa tsy hanao izany izy, dia ho entiko loloha ihany ianao, raha velona koa Jehovah, mitoera ihany aty; mandra-pahamarain'ny andro.",
"14": "Dia nandry teo an-tongony mandra-pahamarain'ny andro Rota, ary nifoha, raha mbola maizimaizina, ilay mbola tsy ahitana tarehy iny. Fa hoy ralehilahy: Aza avela ho fantatr'olona fa taty; am-pamoloana ravehivavy.",
"15": "Dia hoy koa izy: Ento ety; ny lamba itafianao, ka hazony izy. Ary rehefa nataony izany, dia namatra vary hordea inenin'ny famarana Boaza, ka nampitondrainy azy izany. Dia lasa nankany an-tanana Boaza.",
"16": "Ary rehefa tonga tany amin'ny rafozani-vavy Rota, dia hoy Naomy: Nanao ahoana izay tany, anaka? Dia nambarany azy izay rehetra nataon-dralehilahy taminy.",
"17": "Ary hoy koa izy: Ireto vary hordea inenin'ny famarana ireto dia nomeny ahy; fa hoy izy tamiko: Aza mandeha tsy mitondra zavatra ho any amin'ny rafozanao-vavy.",
"18": "Dia hoy izy: Mitoera ihany, anaka, mandra-pahafantatrao izay hiantefan'ny raharaha; fa tsy hijanona ralehilahy, fa hovitainy anio ihany ny raharaha."
},
"4": {
"1": "Ary rehefa tafakatra teo am-bavahady Boaza ka nipetraka teo, dia, indro, nandalo ilay havana mahavotra voalazany, dia hoy Boaza: Ranona iry o! maitia kely ange; mipetraha eto. Dia nanatona izy ka nipetraka.",
"2": "Dia naka folo lahy tamin'ny loholona tao an-tanana Boaza ka nanao hoe: Mipetraha eto ianareo. Dia nipetraka ireo.",
"3": "Dia niteny tamin'Ilay havana akaiky izy ka nanao hoe: Naomy, izay niverina avy tany amin'ny tany Moaba, dia mivarotra ny tany izay an'i Elimeleka rahalahintsika.",
"4": "Ary izaho nikasa hampandre anao hoe: Vidio eto anatrehan'izay mipetraka eto sy eto anatrehan'ny loholona amin'ny fireneko izany. Raha hanavotra ianao, dia avoty; fa raha tahiny tsy hanavotra ianao, dia lazao amiko mba ho fantatro; fa tsy misy tokony hanavotra afa-tsy ianao, ary izaho no manarakaraka anao. Ary hoy izy: Hanavotra ihany aho.",
"5": "Dia hoy Boaza: Amin'izay andro ividiananao ny tany amin'ny tanan'i Naomy, dia amin'i Rota koa, vehivavy Moabita, vadin'ny maty, no hividiananao azy, mba hamelo-maso ny anaran'ny maty ao amin'ny lovany ianao.",
"6": "Fa hoy ilay havana mahavotra: Tsia, tsy mahazo manavotra ho an'ny tenako aho, fandrao mahasimba ny lovako; avoty ihany ho anao ny ahy, fa tsy mahavotra aho.",
"7": "Ary ny amin'ny fanavotana sy ny fanakalozana teo amin'ny Isiraely fahiny hahamafy ny teny rehetra dia izao: nesorin'ny lehilahy ny kirarony ka nomeny ho an'ny namany; dia vavolombelona teo amin'ny Isiraely izany.",
"8": "Ary hoy ilay havana mahavotra tamin'i Boaza: Vidio ho anao izany. Dia nanaisotra ny kirarony izy.",
"9": "Ary hoy Boaza tamin'ny loholona sy ny vahoaka rehetra: Hianareo no vavolombelona androany fa efa novidiko tamin'ny tanan'i Naomy izay rehetra an'i Elimeleka sy izay rehetra an'i Kiliona sy Malona.",
"10": "Ary Rota koa, vehivavy Moabita, vadin'i Malona, dia lasako ho vadiko hamelo-maso ny anaran'ny maty ao amin'ny lovany, mba tsy ho faty maso ny anaran'ny maty eo amin'ny rahalahiny sy eo amin'ny vavahadin'ny fonenany; ianareo no vavolombelona androany.",
"11": "Dia hoy ny vahoaka rehetra izay teo amin'ny vavahady sy ny loholona: Eny, vavolombelona izahay; hataon'i Jehovah tahaka an'i Rahely sy tahaka an'i Lea anie izay vehivavy efa ho tonga ao an-tranonao; fa izy roa vavy no nanangana ny tranon'ny Isiraely; ary aoka ho lehibe any Efrata anie ianao, ary halaza any Betlehema anie ny anaranao;",
"12": "ary ho tahaka ny taranak'i Fareza, izay naterak'i Tamara tamin'i Joda, anie ny taranakao avy amin'ny zanaka izay homen'i Jehovah anao amin'ity vehivavy ity.",
"13": "Ary Boaza dia nampakatra an'i Rota ka nanambady azy; ary Jehovah nampanan'anaka azy, ka niteraka zazalahy izy.",
"14": "Ary hoy ireo vehivavy tamin'i Naomy: Isaorana anie Jehovah, Izay tsy namela anao androany tsy hanan-kavana mahavotra, ary aoka halaza ny anarany eo amin'ny Isiraely.",
"15": "Dia hamelona ny ainao sy hitaiza anao izy, rehefa antitra ianao; fa niteraka azy ny vinantonaovavy, izay tia anao, ilay tsara lavitra aminao mihoatra noho ny zanaka fito lahy.",
"16": "Dia nandray ny zaza Naomy ka nitrotro azy, dia tonga mpitaiza azy.",
"17": "Ary ny vehivavy namany nifidy ny anarany ka nanao hoe: Misy zazalahy teraka ho an'i Naomy; ary ny anarany nataony hoe Obeda; izy no rain'i Jese, rain'i Davida.",
"18": "Ary izao no taranak'i Fareza: Fareza niteraka an'i Hezrona;",
"19": "ary Hezrona niteraka an'i Rama; ary Rama niteraka an'i Aminadaba;",
"20": "ary Aminadaba niteraka an'i Nasona; ary Nasona niteraka an'i Salmona;",
"21": "ary Salmona niteraka an'i Boaza; ary Boaza niteraka an'i Obeda;",
"22": "ary Obeda niteraka an'i Jese; ary Jese niteraka an'i Davida."
}
}