UNPKG

mg-bibles

Version:

A package for accessing Bible verses in Malagasy (MG), Diem, King James (KJV), and Louis Segond (APEE) versions

365 lines 165 kB
{ "1": { "1": "Satria maro no efa nanoratra nandahatra tantara ny amin'ny zavatra izay efa tanteraka tamintsika tokoa[Na: inoana tokoa amintsika]", "2": "araka izay efa noraisintsika natolotry ny vavolombelona izay sady nahita maso no efa mpitory ny teny hatramin'ny voalohany:[Gr. mpanompo]", "3": "dia sitrako koa, rehefa nofotorako tsara ny zavatra rehetra hatramin'ny niandohany, ny hanoratra izany aminao araka ny filaharany, ry Teofilo tsara indrindra,[Gr. mahery indrindra; teny fanajana ny lehibe izany]", "4": "mba hahafantaranao tsara fa mafy orina ny teny izay nampianarina anao.", "5": "Tamin'ny andron'i Heroda, mpanjakan'i Jodia, nisy mpisorona anankiray atao hoe Zakaria, isan'ny antokon'i Abia; ary ny vadiny dia avy tamin'ny taranak'i Arona, Elizabeta no anarany.", "6": "Ary samy marina teo anatrehan'Andriamanitra izy mivady sady nitondra tena tsy nanan-tsiny araka ny didy sy ny fitsipika rehetra nomen'ny Tompo.", "7": "Ary tsy nanan-janaka izy, fa momba Elizabeta; ary samy efa antitra izy mivady.", "8": "Ary nony nanao raharaham-pisoronana teo anatrehan'Andriamanitra Zakaria araka ny fifandimbiasan'ny antokony,", "9": "araka ny fanao amin'ny fisoronana, dia anjarany araka ny filokana ny hiditra ao amin'ny tempolin'ny Tompo ka handoro ditin-kazo manitra.", "10": "Ary ny vahoaka rehetra nitoetra teo ivelany nivavaka tamin'ny ora fandoroana ny ditin-kazo manitra.", "11": "Ary nisy anjelin'ny Tompo niseho taminy teo an-kavanan'ny alitara fandoroana ny ditin-kazo manitra.", "12": "Ary nony nahita azy Zakaria, dia taitra loatra izy ka raiki-tahotra.", "13": "Fa hoy ilay anjely taminy: Aza matahotra, ry Zakaria; fa efa nohenoina ny fangatahanao, ka Elizabeta vadinao dia hiteraka zazalahy aminao, ary Jaona no hataonao anarany.", "14": "Ary ho faly sy ho ravoravo ianao; ary maro no hifaly amin'ny hahaterahany.", "15": "Fa ho lehibe eo anatrehan'ny Tompo izy ary tsy hisotro divay na toaka sady hofenoina ny Fanahy Masina hatrany an-kibon-dreniny aza.", "16": "Ary maro amin'ny Zanak'isiraely no hampodiny amin'i Jehovah Andriamaniny.", "17": "Ary izy handeha eo alohany amin'ny fanahy sy ny herin'i Elia mba hampody ny fon'ny ray ho amin'ny zanaka, ary ny tsy manoa ho amin'ny fahendren'ny marina, hamboatra firenena voaomana ho an'ny Tompo (Mal. 3. 23, 24).", "18": "Ary hoy Zakaria tamin'ilay anjely: Inona no hahafantarako izany? fa izaho efa antitra, ary efa antitra koa ny vadiko.", "19": "Ary ilay anjely namaly ka nanao taminy hoe: Izaho no Gabriela, izay mitsangana eo anatrehan'Andriamanitra; ary nirahina hiteny aminao aho ka hilaza aminao izany teny mahafaly izany.", "20": "Koa, indro, ho moana ianao ka tsy hahay miteny ambara-pahatongan'ny andro hisehoan'izany zavatra izany, ho valin'ny tsy ninoanao ny teniko, izay ho tanteraka amin'ny fotoany.", "21": "Ary ny olona dia niandry an'i Zakaria ka gaga noho izy naharitra ela tao amin'ny tempoly.", "22": "Kanjo rehefa nivoaka izy, dia tsy nahay niteny taminy; ary dia fantatry ny olona fa efa nahita fahitana tao amin'ny tempoly izy; ary izy nanao baikon'ny moana taminy, ary dia mbola moana ihany.", "23": "Ary rehefa tapitra ny andro nanaovany fanompoam-pivavahana, dia lasa nody tany an-tranony izy.", "24": "Ary taorian'izany andro izany dia nitoe-jaza Elizabeta vadiny, dia niery dimy volana izy ka nanao hoe:", "25": "Izao no nataon'ny Tompo tamiko tamin'ny andro izay nitsinjovany hahafa-tondromaso ahy amin'ny olona.", "26": "Ary tamin'ny fahenim-bolana dia nirahin'Andriamanitra ny anjely Gabriela ho any an-tanana anankiray any Galilia atao hoe Nazareta,", "27": "ho any amin'ny virijina anankiray, izay voafofo ho vadin'ny lehilahy atao hoe Josefa, avy tamin'ny taranak'i Davida; ary ny anaran'ny virijina dia Maria.", "28": "Ary nony niditra tao aminy ilay anjely, dia nanao hoe: Arahaba, ry ilay nohasoavina, ny Tompo momba anao.[Ampio hoe: voatahy samy vehivavy ianao]", "29": "Ary taitra loatra izy noho ny teniny ka nieritreritra izay tokony ho hevitr'izany fiarahabana izany.", "30": "Ary hoy ilay anjely taminy: Aza matahotra, ry Maria, fa efa nahita fitia tamin'Andriamanitra ianao.", "31": "Ary, indro, hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany dia hataonao hoe Jesosy.", "32": "Izy ho lehibe ka hatao hoe Zanaky ny Avo Indrindra; ary Jehovah Andriamanitra hanome Azy ny seza fiandrianan'i Davida rainy;", "33": "ary hanjaka amin'ny taranak'i Jakoba mandrakizay Izy; ary ny fanjakany tsy hanam-pahataperana.", "34": "Ary hoy Maria tamin'ilay anjely: Hanao ahoana re no hahatanteraka izany, fa tsy mahalala lahy aho?", "35": "Ary ilay anjely namaly ka nanao taminy hoe: Ny Fanahy Masina ho tonga ao aminao, ary hisy herin'ny Avo Indrindra hanaloka anao; koa ny Masina Izay hateraka dia hatao hoe Zanak'Andriamanitra.[Na: haterakao]", "36": "Ary, indro, Elizabeta havanao dia efa mitoe-jaza koa, na dia efa antitra aza; ary efa mandray enina izy izao, izay natao hoe momba.", "37": "Fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon'Andriamanitra.", "38": "Dia hoy Maria: Inty ny ankizivavin'ny Tompo; aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao. Dia nandao azy ilay anjely.", "39": "Ary Maria niainga tamin'izany andro izany ka nandeha faingana ho any amin'ny tany havoana, ho ao an-tanana anankiray any Joda;", "40": "ary niditra tao an-tranon'i Zakaria izy ka niarahaba an'i Elizabeta.", "41": "Ary rehefa ren'i Elizabeta ny fiarahaban'i Maria, dia nibitaka ny zaza tao an-kibony; ary nofenoina ny Fanahy Masina Elizabeta,[Na: niantsambotra]", "42": "dia niantso tamin'ny feo mahery hoe izy: Voatahy samy vehivavy ianao, ary voatahy ny hateraky ny kibonao.", "43": "Avy aiza no ahatongavan'izao amiko, no mba vangian'ny renin'ny Tompoko aho?", "44": "Fa, indro, raha vao ren'ny sofiko ny feon'ny fiarahabanao, dia nibitaka noho ny hafaliana ny zaza ao an-kiboko.", "45": "Ary sambatra ianao izay nino; fa hefaina izay zavatra nampilazain'ny Tompo taminao.", "46": "Ary hoy Maria: Ny foko mankalaza ny Tompo,", "47": "Ary ny fanahiko efa ravoravo tamin'Andriamanitra, Mpamonjy ahy;", "48": "Fa efa nijery ny fahambani-toetry ny ankizivaviny Izy. Fa, indro, hatramin'ny ankehitriny dia hataon'ny taranaka rehetra ho sambatra aho.", "49": "Fa ny Mahery efa nanao zavatra lehibe tamiko; Ary masina ny anarany.", "50": "Ary ny famindram-pony dia amin'izay matahotra Azy hatramin'ny taranaka fara mandimby.", "51": "Nanao asa lehibe tamin'ny sandriny Izy; Nampihahaka ny mpiavonavona tamin'ny fiheveran'ny fony Izy.", "52": "Nampiala ny lehibe tamin'ny seza fiandrianany Izy, Ary nanandratra ny ambany kosa.", "53": "Ny noana novokisany soa; Fa ny manan-karena kosa nampialainy maina.", "54": "Niahy an'isiraely mpanompony Izy, fa nahatsiaro ny famindram-pony", "55": "(Araka ny voalazany tamin'ny razantsika), tamin'i Abrahama sy ny taranany mandrakizay.", "56": "Ary Maria nitoetra teo amin'i Elizabeta tokony ho telo volana vao nody tany an-tranony.", "57": "Ary tonga ny andro hahaveloman'i Elizabeta, dia niteraka zazalahy izy.", "58": "Ary ny niara-monina taminy sy ny havany nandre fa efa nohalehibiazin'ny Tompo ny famindram-pony taminy; dia niara-nifaly taminy ireo.", "59": "Ary tamin'ny andro fahavalo dia tonga hamora ny zaza izy, ka efa saiky hataony hoe Zakaria araka ny anaran-drainy ny anarany.", "60": "Fa ny reniny namaly ka nanao hoe: Tsy izany, fa hatao hoe Jaona izy.", "61": "Fa hoy izy ireo taminy: Tsy misy na dia iray akory aza amin'ny havanao izay manana izany anarana izany.", "62": "Ary nanao baikon'ny moana tamin'ny rainy iry ireo, izay tokony ho tiany hatao anarany.", "63": "Ary nangataka fafana izy ka nanoratra hoe: Jaona no anarany. Dia gaga avokoa izy rehetra.", "64": "Ary dia nisokatra niaraka tamin'izay ny vavany, ka afaka niteny ny lelany; dia niteny izy ka nidera an'Andriamanitra.", "65": "Dia raiki-tahotra izay rehetra niara-monina taminy; ary niely teny amin'ny tany havoan'i Jodia rehetra ny lazan'izany rehetra izany.", "66": "Ary izay rehetra nandre dia nandatsaka izany tam-pony ka nanao hoe: Ho zaza hanao ahoana re io? Fa ny tanan'ny Tompo nomba azy.", "67": "Ary dia feno ny Fanahy Masina Zakaria rainy ka naminany hoe:", "68": "Isaorana anie ny Tompo Andriamanitry ny Isiraely; Fa nitsinjo ny olony Izy ka nanao fanavotana ho azy,", "69": "Ary nanangana tandro-pamonjena ho antsika Amin'ny taranak'i Davida mpanompony Izy", "70": "(Araka izay nampilazainy ny mpaminaniny masina hatramin'ny fahagola),", "71": "Dia famonjena antsika amin'ny fahavalontsika, sy amin'ny tanan'izay rehetra mankahala antsika;", "72": "Manefa famindram-po amin'ny razantsika Izy Sady mahatsiaro ny fanekeny masina,", "73": "Dia ny fianianana izay nianianany tamin'i Abrahama razantsika,", "74": "Hanao izay hahazoantsika hanompo Azy tsy amin-tahotra, Satria afaka amin'ny fahavalontsika isika,", "75": "Amin'ny fahamasinana sy ny fahamarinana eo anatrehany amin'ny andro rehetra hiainantsika.", "76": "Ary ianao, ry zaza, dia hatao hoe mpaminanin'ny Avo Indrindra; Fa hialoha eo anatrehan'ny Tompo ianao hamboatra ny lalany.", "77": "Hanome ny olony ny fahalalam-pamonjena amin'ny famelana ny helony,", "78": "Noho ny halehiben'ny famindram-pon'Andriamanitsika, izay hiposahan'ny mazava avy any amin'ny avo ho antsika.[Na: niposahan']", "79": "Hamirapiratra amin'izay mipetraka ao amin'ny maizina sy ao amin'ny aloky ny fahafatesana, Hanitsy ny diantsika ho amin'ny lalam-piadanana.", "80": "Ary ny zazakely nitombo ka nihahery tam-panahy; ary nitoetra tany an-efitra izy ambara-pahatongan'ny andro nisehoany tamin'ny Isiraely." }, "2": { "1": "Ary tamin'izany andro izany dia nisy didy navoak'i Aogosto Kaisara hampanoratra ny anaran'ny vahoaka rehetra amin'ny fanjakany.", "2": "(Izany no fanoratana voalohany natao fony Kyrenio nanapaka tany Syria.)[Na: Ny tena fanoratana voalohany anefa dia]", "3": "Dia samy nankany amin'ny tananany avy izy rehetra mba hosoratana.", "4": "Ary Josefa koa niakatra avy tany Galilia, dia avy tao an-tanana Nazareta, hankany Jodia, ho ao an-tananan'i Davida, iza atao hoe Betlehema (satria avy tamin'ny taranak'i Davida sy ny mpianakaviny),", "5": "mba hosoratana izy sy Maria fofom-badiny, izay efa bevohoka.", "6": "Ary raha nitoetra teo Izy, dia tonga ny andro hahavelomany.", "7": "Ary niteraka ny Lahimatoany izy, dia nohodidininy lamban-jaza ka nampandriny teo amin'ny fihinanam-bilona; fa tsy nisy nitoerany tao an-tranom-bahiny.", "8": "Ary nisy mpiandry ondry tamin'izany tany izany nitoetra tany an-tsaha nitandrina ny ondriny tamin'ny alina.", "9": "Ary nisy anjelin'ny Tompo nitsangana teo anilany, ary ny voninahitry ny Tompo nanelatrelatra manodidina azy, ka raiki-tahotra indrindra izy.", "10": "Ary hoy ny anjely taminy: Aza matahotra; fa, indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an'ny olona rehetra;", "11": "fa Mpamonjy no teraka ho anareo anie ao an-tananan'i Davida, dia Kristy Tompo.", "12": "Ary izao no ho famantarana ho anareo: ianareo hahita Zazakely voahodidina lamban-jaza sady mandry ao am-pihinanam-bilona;", "13": "Ary nisy anjely maro be avy any an-danitra niseho tampoka niaraka tamin'ilay anjely teo ka nidera an'Andriamanitra nanao hoe:", "14": "Voninahitra any amin'ny avo Indrindra ho an'Andriamanitra! Ary fiadanana ho ety; ambonin'ny tany amin'ny olona ankasitrahany. [Na: Fankasitrahana ho amin'ny olona]", "15": "Ary tamin'izany rehefa niala teo aminy ireo anjely ireo ka nankany an- danitra, dia niresaka ireo lehilahy mpiandry ondry ka nanao hoe: Andeha isika hankany Betlehema ka hizaha izany zavatra vao tonga izany, izay nampahafantarin'ny Tompo antsika.", "16": "Dia nandeha faingana izy ka nahita an'i Maria sy Josefa, ary ny Zazakely nandry teo am-pihinanam-bilona.", "17": "Ary nony efa nahita izy, dia nampiely izay teny nolazaina taminy ny amin'izany Zaza izany.", "18": "Ary izay rehetra nandre dia gaga tamin'izay zavatra nolazain'ny mpiandry ondry taminy.", "19": "Fa Maria kosa nitadidy izany teny rehetra izany ka nieritreritra azy tao am-pony.", "20": "Ary ny mpiandry ondry niverina nankalaza ny nidera an'Andriamanitra noho ny zavatra rehetra izay reny ny hitany, araka izay nolazaina taminy.", "21": "Ary rehefa tapitra ny havaloana, ka hoforana ny Zaza, dia nataony hoe Jesosy ny anarany, araka ilay nataon'ny anjely, fony tsy mbola torontoronina tao an-kibo Izy.", "22": "Ary rehefa tapitra ny andro fidiovany, araka ny lalan'i Mosesy, dia nitondra Azy niakatra tany Jerosalema izy mba hatolotra ho an'ny Tompo", "23": "araka ny voasoratra ao amin'ny lalan'ny Tompo hoe: Ny lahy voalohan-teraka rehetra hatao hoe masina ho an'i Jehovah. (Eks. 13. 2)", "24": "ary mba hanatitra fanatitra araka izay voalaza ao amin'ny lalan'ny Tompo hoe: domohina roa, na zana-boromailala roa (Lev. 12. 8).", "25": "Ary, indro, nisy lehilahy atao hoe Simeona tao Jerosalema; ary marina sady mpivavaka tsara izany lehilahy izany ka niandry ny fampiononana ny Isiraely; ary ny Fanahy Masina dia tao aminy.", "26": "Ary efa nambaran'ny Fanahy Masina taminy fa tsy hahita fahafatesana izy mandra-pahitany ny Kristin'ny Tompo.", "27": "Ary nentin'ny Fanahy Masina niditra teo an-kianjan'ny tempoly izy; ary rehefa nampidirin'ny ray aman-dreniny Jesosy zaza mba hanaovany araka ny fomban'ny lalana ny amin'ny zaza,", "28": "dia nitrotro Azy izy ka nidera an'Andriamanitra nanao hoe:", "29": "Tompo o, ankehitriny ny mpanomponao dia alefanao amin'ny fiadanana Araka ny teninao;", "30": "Fa ny masoko efa nahita ny famonjenao,", "31": "Izay namboarinao teo anatrehan'ny firenena rehetra,", "32": "Dia fahazavana hahazava ny firenena sady voninahitry ny Isiraely olonao.", "33": "Dia gaga ny ray aman-dreniny noho ny teny nilazana Azy.", "34": "Ary Simeona nitso-drano azy ireo ka nanao tamin'i Maria, renin'ny Zaza, hoe: Indro, Ity Zaza ity no voatendry ho fandavoana sy ho fananganana ny maro ao amin'ny Isiraely ary ho famantarana holavina", "35": "ary ny fanahinao aza dia hotsatohana sabatra - mba haseho ny hevitry ny fo maro.", "36": "Ary nisy mpaminanivavy anankiray, dia Ana, zanakavavin'i Fanoela, avy tamin'ny firenen'i Asera; efa anti-panahy tokoa izy ary efa nitoetra tamin'ny vadiny fito taona taorian'ny naha-virijina azy,", "37": "ary efa mpitondratena tokony ho efatra amby valo-polo taona; ary tsy niala teo an-kianjan'ny tempoly izy, fa nanompo tamin'ny fifadian-kanina sy ny fivavahana andro aman'alina.", "38": "Ary nony niditra tamin'izany ora izany izy, dia nisaotra an'Andriamanitra ka nilaza Azy tamin'izay rehetra niandry ny fanavotana tao Jerosalema.", "39": "Ary rehefa vitany ny zavatra rehetra araka ny lalan'ny Tompo, dia niverina tany Galilia izy, dia tao Nazareta tananany.", "40": "Ary ny Zaza dia nitombo ka nihahery sady feno fahendrena; ary ny fahasoavan'Andriamanitra no tao aminy.", "41": "Ary ny ray aman-dreniny nankany Jerosalema isan-taona, raha avy ny andro firavoravoana amin'ny Paska.", "42": "Ary rehefa roa ambin'ny folo taona Jesosy, dia niakatra izy ireo, araka ny fanao amin'ny andro firavoravoana.", "43": "Ary rehefa tapitra izany andro izany, ka nody izy, Jesosy zaza dia mbola nitoetra tany Jerosalema ihany, nefa tsy fantatry ny ray aman-dreniny izany;", "44": "ary satria nataony fa niaraka tamin'ny niara-dia taminy Izy, dia nandeha lalana indray andro izy vao nitady Azy tamin'ny havany sy ny olom-pantany.", "45": "Ary nony tsy nahita Azy izy, dia niverina ho any Jerosalema nitady Azy.", "46": "Ary rehefa afaka hateloana, dia hitany teo an-kianjan'ny tempoly Izy nipetraka teo afovoan'ny mpampianatra ka nihaino sady nanontany azy.", "47": "Ary talanjona izay rehetra nandre Azy noho ny fahalalany sy ny famaliany.", "48": "Ary raha nahita Azy izy, dia talanjona, ka hoy ny reniny taminy: Anaka, nahoana no nanao toy izay taminay Hianao? He! izato alahelon-drainao sy izaho nitady Anao!", "49": "Fa hoy Izy taminy: Nahoana no nitady Ahy ianareo? tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho eto an-tranon'ny Raiko Aho?[Na: eto amin'ny raharahan']", "50": "Nefa tsy azon'ireo ny teny izay nolazainy taminy.", "51": "Ary niara-nidina taminy nankany Nazareta Izy ka nanoa azy. Ary ny reniny nitahiry izany teny rehetra izany tao am-pony.", "52": "Ary Jesosy nitombo saina sy tena sady nandroso fitia tamin'Andriamanitra sy ny olona.[Na: taona]" }, "3": { "1": "Ary tamin'ny taona fahadimy ambin'ny folo nanjakan'i Tiberia Kaisara, fony Pontio Pilato no governora tany Jodia, ary Heroda no mpanapaka tany Galilia, ary Filipo rahalahiny no mpanapaka ny tany Itoria sy Trakonitisy, ary Lysania no mpanapaka tany Abilena,", "2": "ary Anasy sy Kaiafa no mpisoronabe,- dia tonga tamin'i Jaona, zanak'i Zakaria, tany an-efitra ny tenin'Andriamanitra.", "3": "Ary nankany amin'ny tany rehetra any amoron'i Jordana izy nitory ny batisan'ny fibebahana ho famelan-keloka;", "4": "araka ny voasoratra ao amin'ny bokin'ny tenin'Isaia mpaminany hoe: Injany! misy feon'ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny lalan'i Jehovah, Ataovy mahitsy ny lalan-kalehany.", "5": "Ny lohasaha rehetra hototofana, Ary ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra haetry, Ary ny meloka hahitsy, Ary ny lalana mikitoantoana hohamarinina;", "6": "Ary ny nofo rehetra hahita ny famonjen'Andriamanitra (Isa. 40:3-5).", "7": "Dia hoy izy tamin'ny vahoaka izay nankeo aminy mba hataony batisa: Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy?", "8": "Koa mamoaza voa miendrika ny fibebahana; ary aza manao anakampo hoe: Manana an'i Abrahama ho rainay izahay; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangana zanaka ho an'i Abrahama avy amin'ireto vato ireto.", "9": "Ary, indro, efa mipetraka ao amin'ny fototry ny hazo sahady ny famaky; koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapohina ka hatsipy any anaty afo.", "10": "Ary ny vahoaka nanontany an'i Jaona hoe: inona ary no hataonay?", "11": "Ary namaly izy ka nanao taminy hoe: Izay manana akanjo roa dia aoka hanome ho an'ny tsy manana; ary izay manan-kanina, dia aoka hanao toy izany koa izy.", "12": "Dia avy koa ny mpamory hetra sasany mba hataony batisa ka nanao taminy hoe: Mpampianatra o, inona no hataonay?", "13": "Ary hoy izy taminy: Aza mampandoa mihoatra noho izay notendrena halainareo.", "14": "Ary nisy miaramila koa nanontany azy ka nanao hoe: Ary inona kosa no mba hataonay? Dia hoy izy taminy: Aza mitohatoha foana amin'olona, ary aza miampanga lainga, ary mianina amin'ny karamanareo.", "15": "Fa raha mbola niandry ny olona, ka samy nisaina an'i Jaona tam-pony, na izy no Kristy, na tsia,", "16": "dia namaly Jaona ka nanao tamin'izy rehetra hoe: Izaho manao batisa anareo amin'ny rano, fa avy Izay mahery noho izaho, ka tsy miendrika hamaha ny fehin-kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo;", "17": "eny an-tanany ny fikororohany hanadiovany tsara ny no am-pamoloany ka hanangonany ny vary ho any amin'ny sompiny; fa ny akofa sy ny mololo hodorany amin'ny afo tsy azo vonoina.", "18": "Ary fananarana maro hafa koa no notoriny tamin'ny olona.", "19": "Fa Heroda mpanapaka, nony nanarin'i Jaona noho ny amin'i Herodiasy, vadin-drahalahiny, sy noho ny ratsy rehetra izay nataony,", "20": "dia nanidy an'i Jaona tao an-tranomaizina ho fanampin'izany rehetra izany koa.", "21": "Ary rehefa natao batisa ny vahoaka rehetra, ary Jesosy koa efa natao batisa sy nivavaka, dia nisokatra ny lanitra;", "22": "ary ny Fanahy Masina nidina teo amboniny, ka ny endriny dia tahaka ny voromailala; ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako; Hianao no sitrako.", "23": "Ary tokony ho efa telo-polo taona Jesosy, raha vao nanomboka ny raharahany, ka natao ho zanak'i Josefa, izay zanak'i Hely,", "24": "zanak'i Matata, zanak'i Levy, zanak'i Melky, zanak'i Janay, zanak'i Josefa,", "25": "zanak'i Matitia, zanak'i Amosa, zanak'i Nahoma, zanak'i Esly, zanak'i Nagay,", "26": "zanak'i Mata, zanak'i Matatia, zanak'i Semey, zanak'i Joseka, zanak'i Joda,", "27": "zanak'i Joanana, zanak'i Resa, zanak'i Zerobabela, zanak'i Sealtiela, zanak'i Nery,[Gr. Salatiela]", "28": "zanak'i Melky, zanak'i Ady, zanak'i Kosama, zanak'i Elmadama, zanak'i Era,", "29": "zanak'i Jesosy, zanak'i Eliezera, zanak'i Joreima, zanak'i Matata, zanak'i Levy,", "30": "zanak'i Simeona, zanak'i Joda, zanak'i Josefa, zanak'i Jonama, zanak'i Eliakima,", "31": "zanak'i Melea, zanak'i Mena, zanak'i Matata, zanak'i Natana, zanak'i Davida,", "32": "zanak'i Jese, zanak'i Obeda, zanak'i Boaza, zanak'i Salmona, zanak'i Nahasona,", "33": "zanak'i Aminadaba, zanak'i Arny, zanak'i Hezrona, zanak'i Fareza, zanak'i Joda,[Na: (Arama)]", "34": "zanak'i Jakoba, zanak'isaka, zanak'i Abrahama, zanak'i Tera, zanak'i Nahora,", "35": "zanak'i Seroga, zanak'i Reo, zanak'i Palega, zanak'i Ebera, zanak'i Sela,", "36": "zanak'i Kenana, zanak'i Arpaksada, zanak'i Sema, zanak'i Noa, zanak'i Lameka,", "37": "zanak'i Metosela, zanak'i Enoka, zanak'i Jareda, zanak'i Mahalalila, zanak'i Kenana,", "38": "zanak'i Enosa, zanak'i Seta, zanak'i Adama, zanak'Andriamanitra." }, "4": { "1": "Ary Jesosy feno ny Fanahy Masina dia niverina avy tany Jordana, ary nentin'ny Fanahy tany an-efitra efa-polo andro Izy", "2": "ka nalain'ny devoly fanahy. Ary tsy nihinan-kanina akory Izy tamin'izany andro izany, ka rehefa tapitra izany, dia noana Izy.", "3": "Ary hoy ny devoly taminy: raha Zanak'Andriamanitra Hianao, teneno io vato io mba ho tonga mofo.", "4": "Fa Jesosy namaly azy ka nanao hoe: Voasoratra hoe: Tsy mofo ihany no hiveloman'ny olona (Deo. 8. 3).", "5": "Ary ny devoly nitondra Azy niakatra, dia naneho Azy indray mipi-maso ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao.", "6": "Dia hoy ny devoly taminy: Homeko Anao izao fanapahana rehetra izao mbamin'ny voninahiny, fa efa natolotra ahy izany, ka izay tiako no homeko azy;", "7": "koa raha hiankohoka eto anatrehako Hianao, dia ho Anao avokoa izany rehetra izany.", "8": "Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Voasoratra hoe: Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao (Deo. 6. 13; 10. 20).", "9": "Ary nitondra Azy nankany Jerosalema izy, dia nampitoetra Azy teo an-tampon'ny tempoly ka nanao taminy hoe: Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, mivarina any ambany any;", "10": "fa voasoratra hoe: Izy handidy ny anjeliny ny aminao mba hiaro Anao;", "11": "Ary eny an-tanany no hitondran'ireo Anao, Fandrao ho tafintohina amin'ny vato ny tongotrao (Sal. 91. 11, 12).", "12": "Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Voalaza hoe: Aza maka fanahy an'i Jehovah Andriamanitrao (Deo. 6. 16).", "13": "Ary rehefa nahatapitra izay fakam-panahy rehetra ny devoly, dia nandao Azy izy aloha.", "14": "Ary Jesosy niverina tamin'ny herin'ny Fanahy nankany Galilia; dia niely tamin'ny tany rehetra manodidina ny lazany.", "15": "Ary Izy nampianatra teny amin'ny synagogan'ny olona ka nankalazain'izy rehetra.", "16": "Dia tonga tao Nazareta, izay nahabe Azy Izy; ary araka ny fanaony dia niditra tao amin'ny synagoga tamin'ny andro Sabata Izy ka nitsangana hamaky teny.", "17": "Dia natolotra Azy ny bokin'Isaia mpaminany; ary nony namelatra ny boky Izy, dia nahita ny teny voasoratra hoe:", "18": "Ny Fanahin'i Jehovah no ato amiko, Satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin'ny malahelo Izy; Naniraka Ahy hitory fandefasana amin'ny mpifatotra Izy, Sy fampahiratana amin'ny jamba, Hanafaka izay nampahorina,", "19": "Hitory ny taona ankasitrahan'i Jehovah (Isa. 61. 1, 2).", "20": "Ary rehefa nahorony ny boky ka naveriny tamin'ny mpanao raharaha, dia nipetraka Izy. Ary nandinika Azy ny mason'izay rehetra teo amin'ny synagoga.", "21": "Ary Jesosy niteny taminy hoe: Androany no efa tanteraka eto anatrehanareo izany soratra izany.", "22": "Ary izy rehetra nankalaza Azy sady talanjona noho ny tenin'ny fahasoavana naloaky ny vavany, ka hoy izy: Tsy Zanak'i Josefa va Ity?", "23": "Ary hoy kosa Jesosy taminy: Hataonareo amiko tokoa izao ohabolana izao hoe: Mpanao fanafody, sitrano ny tenanao: izay renay fa nataonao tao Kapernaomy dia mba ataovy eto amin'ny taninao koa.", "24": "Ary hoy koa Izy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy mpaminany izay ankasitrahana ao amin'ny taniny.", "25": "Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Maro no mpitondratena teo amin'ny Isiraely tamin'ny andron'i Elia, raha nihantona ny andro telo taona sy enim-bolana, ka nisy mosary mafy tamin'ny tany rehetra;[Gr.nirindrina ny lanitra]", "26": "nefa tsy mba nirahina ho any amin'ny anankiray tamin'ireo Elia, fa ho any Zarefata any amin'ny tany Sidona ihany, dia ho any amin'izay vehivavy mpitondratena.", "27": "Ary maro no boka teo amin'ny Isiraely tamin'ny andron'i Elisa mpaminany, nefa tsy mba nisy nodiovina na dia iray akory aza fa Namana Syriana ihany.", "28": "Dia tezitra loatra izay rehetra teo amin'ny synagoga, raha nandre izany,", "29": "ka nitsangana izy, dia nandroaka Azy hiala ao an-tanana ary nitondra Azy ho any an-tampon'ny havoana niorenan'ny tanana, mba hazerany amin'ny hantsana.", "30": "Nefa Izy namaky teo afovoany, ka dia lasa nandeha.", "31": "Ary nidina tany Kapernaomy, tanana any Galilia, Jesosy ka nampianatra ny olona tamin'ny Sabata.", "32": "Dia talanjona ny olona tamin'ny fampianarany, satria nisy fahefana ny teniny.", "33": "Ary nisy olona tao amin'ny synagoga, izay nanana ny fanahin'ny demonia maloto, dia niantso tamin'ny feo mahery izy", "34": "ka nanao hoe: Indrisy! moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Jesosy avy any Nazareta? avy handringana anay va Hianao? Fantatro fa Ilay Masin'Andriamanitra Hianao.", "35": "Fa Jesosy niteny mafy azy ka nanao hoe: Mangina ianao, ka mivoaha aminy. Ary ny demonia, nony namotraka azy teo afovoan'ny olona, dia nivoaka taminy, nefa tsy naharatra azy.", "36": "Ary talanjona avokoa izy rehetra ka niresaka hoe: Manao ahoana izao teny izao! fa amin'ny fahefana sy ny hery no andidiany ny fanahy maloto, dia mivoaka ireo.", "37": "Ary niely teny amin'ny tany manodidina rehetra ny lazany.", "38": "Ary nony nitsangana niala tao amin'ny synagoga Jesosy, dia niditra tao an-tranon'i Simona. Ary azon'ny tazo mafy ny rafozam-bavin'i Simona; ary izy ireo nangataka taminy hahasitrana azy.", "39": "Dia nitsangana teo akaikiny Izy, ka noteneniny mafy ny tazo, dia niala tamin-dravehivavy izany; ary nitsangana niaraka tamin'izay izy ka nanompo azy ireo.", "40": "Ary raha nilentika ny masoandro, ny olona rehetra izay nanana marary tamin'ny aretina samy hafa dia nitondra azy teo aminy; ary dia nametra-tanana tamin'izy rehetra tsirairay Izy ka nahasitrana azy.", "41": "Ary nisy demonia nivoaka tamin'ny maro ka niantso hoe: Hianao no Zanak'Andriamanitra. Nefa norarany ireo ka tsy navelany hiteny, satria nahalala Azy ho Kristy.", "42": "Ary nony maraina ny andro, dia niala Jesosy ka nankany an-tany foana; ary ny vahoaka nitady Azy, dia nankeo aminy ka te-hihazona Azy mba tsy hialany tao aminy.", "43": "Fa hoy Izy taminy: Tsy maintsy mitory ny teny soa mahafaly ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra any amin'ny tanana hafa koa Aho, satria izany no nanirahana Ahy.", "44": "Ary Izy nitori-teny tao amin'ny synagoga eran'i Galilia." }, "5": { "1": "Ary raha nifanizina taminy ny vahoaka mba hihaino ny tenin'Andriamanitra, dia nijanona teo amoron'ny Farihin'i Genesareta Jesosy;", "2": "ary nahita sambokely roa nijanona teo an-tsisin'ny farihy Izy; fa ny mpanarato efa niala taminy ka nanasa ny haratony.", "3": "Ary niditra teo amin'ny sambokely anankiray izay an'i Simona Izy, dia nangataka taminy hihataka kely amin'ny tany. Dia nipetraka teo an-tsambokely Izy ka nampianatra ny vahoaka.", "4": "Ary rehefa nitsahatra niteny Jesosy, dia hoy Izy tamin'i Simona: Mandrosoa ho any amin'ny lalina, dia alatsaho ny haratonareo hahazoana hazandrano.", "5": "Fa Simona namaly ka nanao hoe: Tompoko, mandritra ny alina no efa nikelezanay aina, nefa tsy nahazo na inona na inona; kanefa noho ny teninao; dia halatsako ihany ny harato.", "6": "Ary rehefa nataony izany, dia nahazo hazandrano be dia be izy, ka efa nisy triatra ny haratony.", "7": "Ary izy nanatsika ny namany, izay teo amin'ny sambokely hafa, mba ho avy hanampy azy. Dia avy ireny, ary nofenoiny ny sambokely roa, ka efa saiky nilentika.", "8": "Ary rehefa hitan'i Simona Petera izany, dia niankohoka tamin'ny tongotr'i Jesosy izy ka nanao hoe: Tompoko, miala amiko, fa olo-meloka aho.", "9": "Fa talanjona izy sy izay rehetra teo aminy noho ny haben'ny hazan-drano izay azony.", "10": "Ary toy izany koa Jakoba sy Jaona, zanak'i Zebedio, izay niombon-draharaha tamin'i Simona. Dia hoy Jesosy tamin'i Simona: Aza matahotra; hatramin'izao ankehitriny izao dia olona kosa no ho azonao.", "11": "Ary rehefa nampiantsona ny sambokeliny teo an-tanety izy, dia nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka an'i Jesosy.", "12": "Ary raha tao an-tanana anankiray Jesosy, indro, nisy lehilahy heniky ny habokana: ary nony nahita Azy io, dia niankohoka ka nitaraina taminy hoe: Tompoko, raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy.", "13": "Ary Jesosy naninjitra ny tanany, dia nanendry azy ka nanao hoe: Mety Aho; madiova ianao. ry ny habokany niala taminy niaraka tamin'izay.", "14": "Ary Jesosy nandrara azy tsy hilaza amin'olona na dia iray akory aza; fa mandehana, hoy Izy, misehoa amin'ny mpisorona, ka manatera ny fanadiovana anao araka ny nandidian'i Mosesy, ho vavolombelona amin'ireo.", "15": "Fa mainka niely bebe kokoa ny lazany, dia niangona ny vahoaka betsaka hihaino Azy sy hositranina tamin'ny aretiny.", "16": "Ary niala teo Izy, dia nitoetra tany an-efitra ka nivavaka.", "17": "Ary tamin'ny andro anankiray, raha nampianatra Jesosy, dia nipetraka teo ny Fariseo sasany sy ny mpampiana-dalana, izay efa niala tamin'ny tanana rehetra any Galilia sy Jodia ary tany Jerosalema; ary ny herin'ny Tompo dia tao aminy mba hahasitranany.", "18": "Ary, indro, nisy nitondra lehilahy tamin'ny fandriana, izay mararin'ny paralysisa, ka nitady izay hampidirany sy hametrahany azy teo anatrehany.", "19": "Ary satria tsy nahita izay hampidirany azy izy noho ny habetsahan'ny vahoaka, dia niakatra teo an-tampon-trano ka nanesorany ny tafo tanimanga, dia nampidininy ralehilahy mbamin'ny fandriany ho eo afovoan'ny olona, dia teo anatrehan'i Jesosy.", "20": "Ary raha hitan'i Jesosy ny finoan'ireo, dia hoy Izy: Ralehilahy, voavela ny helokao.", "21": "Fa ny mpanora-dalana sy ny Fariseo niara-nisaina hoe: Iza moa Ity miteny ratsy Ity? Iza no mahavela heloka, afa-tsy Andriamanitra ihany?[Gr. manao blasfemia; izahao Mat. 9.3]", "22": "Fa Jesosy nahafantatra ny eritreriny, dia namaly ka nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no mieritreritra ao am-ponareo?", "23": "Iza moa no moramora kokoa, ny manao hoe va: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangana, ka mandehana?", "24": "Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak'olona manana fahefana ety; ambonin'ny tany hamela heloka - dia hoy Izy tamin'ilay mararin'ny paralysisa: Izaho milaza aminao hoe: Mitsangana, dia betao ny fandrianao, ary modia any an-tranonao.", "25": "Ary tamin'izay dia nitsangana teo anatrehan'ny olona izy ka nambeta ny fandriany, dia lasa nody sady nankalaza an'Andriamanitra.", "26": "Ary talanjona avokoa ny olona rehetra, dia nankalaza an'Andriamanitra sady raiki-tahotra indrindra ka nanao hoe: Efa nahita zavatra mahagaga isika androany.", "27": "Ary rehefa afaka izany, dia nandeha Jesosy ka nahita mpamory hetra atao hoe Levy, nipetraka teo am-pamorian-ketra; dia hoy Izy taminy: Manaraha Ahy.[Izahao Mat. 9,9]", "28": "Ary nahafoy ny zavatra rehetra izy ka nitsangana, dia nanaraka Azy.", "29": "Ary Levy nanao fanasana lehibe tao an-tranony ho an'i Jesosy; ary nisy mpamory hetra maro sy olon-kafa koa, izay niara-nipetraka nihinana teo aminy.", "30": "Fa ny Fariseo sy ny mpanora-dalana izay teo aminy dia nimonomonona tamin'ny mpianatr'i Jesosy ka nanao hoe: Nahoana ianareo no miara-mihinana sy misotro amin'ny mpamory hetra sy ny mpanota?", "31": "Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary;", "32": "tsy avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota mba hibebaka.", "33": "Ary hoy izy ireo taminy: Ny mpianatr'i Jaona mifady hanina matetika sy mivavaka, ary ny an'ny Fariseo koa mba tahaka izany ihany, fa ny Anao kosa mihinana sy misotro ihany.", "34": "Ary hoy Jesosy taminy: Mahay mampifady ny havan'ny mpampakatra va ianareo, raha mbola ao aminy ihany ny mpampakatra?", "35": "Fa ho avy ny andro; ary rehefa voaisotra ny mpampakatra hiala aminy, dia amin'izany andro izany vao hifady izy.[Na: Ny andro izay hanesorana]", "36": "Ary Izy nanao fanoharana taminy koa nanao hoe: Tsy misy olona mandriatra lamba vaovao hanalany tapa-damba hatampina ny lamba tonta; fa raha izany, dia mahatriatra ny vaovao izy, ary ilay tapa-damba nalaina tamin'ny vaovao dia tsy hifanaraka amin'ny tonta.", "37": "Ary tsy misy olona manisy divay vaovao no anaty siny hoditra tonta; fa raha izany, ny divay vaovao mahatriatra ny siny hoditra, ka ho raraka ny divay, sady ho simba foana ny siny hoditra;", "38": "Fa ny divay vaovao dia tsy maintsy hatao ao anaty siny hoditra vaovao.", "39": "Tsy misy olona, rehefa nisotro ny divay ela, no maniry ny vaovao; fa hoy izy: Ny ela no tsara.[Na: tsaratsara kokoa]" }, "6": { "1": "Ary tamin'ny Sabata anankiray dia nandeha namaky ny tanimbary Jesosy, ary ny mpianany nanoty ny salohim-bary, ka rehefa nokosokosohiny tamin'ny tanany, dia nohaniny.[ Na: faharoa manaraka ny voalohany].", "2": "Fa ny Fariseo sasany nanao hoe: Nahoana ianareo no manao izay tsy mety hatao amin'ny Sabata?", "3": "Ary Jesosy namaly azy ka nanao hoe: Tsy mbola novakinareo va ny teny milaza ilay nataon'i Davida, raha noana izy mbamin'izay nanaraka azy,", "4": "fa niditra tao an-tranon'Andriamanitra izy ka nandray ny mofo aseho ary nihinana sady nanome he an'izay nanaraka azy koa, nefa mahadiso raha misy homana izany, afa-tsy ny mpisorona ihany?", "5": "Ary hoy Izy taminy: Tompon'ny Sabata ny Zanak'olona.", "6": "Ary nony tamin'ny Sabata hafa koa niditra tao amin'ny synagoga Jesosy ka nampianatra; ary nisy lehilahy anankiray maty tanana tao.[Gr. efa maina, na malazo]", "7": "Ary ny mpanora-dalana sy ny Fariseo nizaha taratra Azy, na hahasitrana amin'ny Sabata Izy, na tsia, mba hahitany izay hiampangana Azy.", "8": "Fa Jesosy nahalala ny hevitr'ireo, ka dia niteny tamin-dralehilahy maty tanana hoe: Mitsangana, ka mijoroa etsy afovoany. Dia nitsangana izy ka nijoro.", "9": "Ary hoy Jesosy tamin'ireo: Manontany anareo Aho: Moa ny manao soa va no mety hatao amin'ny Sabata, sa ny manao ratsy? ny mamonjy aina va, sa ny mahavery aina?", "10": "Ary nijery azy rehetra manodidina Izy, dia nanao tamin-dralehilahy hoe: Ahinjiro ny tananao. Dia nataony izany, ka sitrana ny tanany.", "11": "Dia safotry ny hatezerana izy ireo ka nioko ny amin'izay hanaovany an'i Jesosy.", "12": "Ary tamin'izany andro izany dia lasa nankany an-tendrombohitra Jesosy mba hivavaka; ary naharitra nivavaka tamin'Andriamanitra nandritra ny alina Izy.", "13": "Ary nony maraina ny andro,dia nantsoiny hanatona Azy ny mpianany, ka nifidianany roa ambin'ny folo lahy, izay nataony hoe Apostoly,", "14": "dia Simona, izay nataony hoe koa Petera, sy Andrea rahalahiny, sy Jakoba sy Jaona sy Filipo sy Bartelemeo", "15": "sy Matio sy Tomasy sy Jakoba, zanak'i Alfeo, sy Simona, izay atao hoe Zelota,", "16": "sy Jodasy, zanak'i Jakoba, ary Jodasy Iskariota, izay tonga namadika. [ Na: rahalahin'i]", "17": "Ary Jesosy niara-nidina tamin'ireo, dia nijanona teo an-kamarenana Izy sy ny mpianany maro mbamin'ny vahoaka betsaka avy tany Jodia rehetra sy Jerosalema, ary avy tany amoron-dranomasina any Tyro sy Sidona, izay tonga mba hihaino Azy sy hositranina amin'ny aretiny;", "18": "ary izay nampahorin'ny fanahy maloto dia nositranina.", "19": "Ary ny vahoaka rehetra nitady hanendry Azy, satria nisy hery niala taminy ka nahasitrana azy rehetra.", "20": "Ary Jesosy dia nanopy ny masony tamin'ny mpianany ka nanao hoe: Sambatra ianareo malahelo, fa anareo ny fanjakan'Andriamanitra.", "21": "Sambatra ianareo noana ankehitriny, fa hovokisana ianareo. Sambatra ianareo mitomany ankehitriny, fa hihomehy ianareo.", "22": "Sambatra ianareo, raha halan'ny olona ka ariany sy haratsiny, ary laviny toy ny zava-dratsy ny anaranareo, noho ny amin'ny Zanak'olona.", "23": "Mifalia ianareo amin'izany andro izany, ka mibitaha; fa, indro, lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa izany no nataon'ny razany tamin'ny mpaminany.[Na: miantsambora]", "24": "Fa lozanareo izay manan-karena kosa! fa efa azonareo izay mahafa-po anareo.", "25": "Lozanareo izay voky ankehitriny! fa mbola ho noana ianareo. Lozanareo izay mihomehy ankehitriny fa mbola be ory sy hitomany ianareo.", "26": "Lozanareo, raha milaza soa anareo ny olona rehetra! fa izany no nataon'ny razany tamin'ny mpaminany sandoka.", "27": "Kanefa hoy Izaho aminareo izay mihaino: Tiava ny fahavalonareo; manaova soa amin'izay mankahala anareo;", "28": "misaora izay manozona anareo, ary mivavaha ho an'izay manisy ratsy anareo.", "29": "Raha misy mamely ny takolakao anankiray, dia atolory azy koa ny anankiray; ary raha misy maka ny lambanao, aza lavinao na dia ny akanjonao aza.", "30": "Omeo izay rehetra mangataka aminao; ary raha misy maka ny anananao, dia aza manaraka izany aminy.", "31": "Ary araka izay tianareo hataon'ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa.", "32": "Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona moa no soa tokony ho azonareo? fa na dia ny mpanota koa aza mba tia izay tia azy.", "33": "Ary raha izay manisy soa anareo ihany no asianareo soa, inona moa no soa tokony ho azonareo? fa na dia ny mpanota aza mba manao izany ihany.", "34": "Ary raha mampisambotra izay antenainareo fa mbola hanonitra ianareo, inona moa no soa tokony ho azonareo? fa na dia ny mpanota aza mba mampisambotra ny mpanota, handraisany toraka izany indray.", "35": "Fa tiava ny fahavalonareo, ary manaova soa, dia mampisambora, fa aza kivy na amin'inona na amin'inona, dia ho lehibe ny valim-pitianareo, ary ho zanaky ny Avo Indrindra ianareo; fa Izy mora fanahy amin'izay tsy misaotra sy ny ratsy fanahy.[Na: aza manantena valiny]", "36": "Aoka ho mpamindra fo ianareo mba ho tahaka ny Rainareo, Mpamindra fo.", "37": "Ary aza mitsara, dia tsy hotsaraina ianareo; aza manameloka, dia tsy hohelohina ianareo; mamela, dia mba havela ianareo;", "38": "omeo, dia mba homena ianareo; fatra tsara sady ahintsana no afatratra ka mihoatra no homeny ho ao am-pofoanareo. Fa izay fatra ataonareo no hamarana ho anareo kosa.", "39": "Ary Jesosy nanao fanoharana taminy koa hoe: Ny jamba va mahatari-dalana ny jamba? Tsy hianjera any an-kady va izy roa?", "40": "Ny mpianatra tsy mihoatra noho ny mpampianatra; fa izay rehetra tanteraka dia ho tahaka ny mpampianatra azy ihany.", "41": "Ary nahoana ianao no mijery ny sombin-kazo izay eo amin'ny mason'ny rahalahinao, nefa ny andry izay eo amin'ny masonao dia tsy mba tsaroanao akory?", "42": "Ary ahoana no ilazanao amin'ny rahalahinao hoe: Ry rahalahy, aoka hesoriko ny sombin-kazo eo amin'ny masonao, nefa tsy mba hitanao ny andry eo amin'ny masonao? Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin'ny masonao, ary amin'izany dia ho hitanao tsara ny hanesoranao ny sombin-kazo eo amin'ny maso'ny rahalahinao.", "43": "Fa tsy misy hazo tsara mamoa voa ratsy na hazo ratsy mamoa voa tsara.", "44": "Fa samy fantatra amin'ny voany avy ny hazo rehetra; fa tsy misy manoty aviavy amin'ny tsilo, na voaloboka amin'ny voaroy.[aviavimbazaha]", "45": "Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin'ny rakitra tsaran'ny fony; ary ny ratsy fanahy kosa dia mamoaka ny ratsy; fa amin'ny haben'ny ao am-pony no itenenan'ny vavany.", "46": "Ary nahoana ianareo no miantso Ahy hoe: Tompoko, Tompoko, nefa tsy manao izay lazaiko?", "47": "Izay rehetra manatona Ahy sy mandre ny teniko ka mankato azy, dia hasehoko aminareo izay tahaka azy:", "48": "Tahaka ny olona nanao trano izy, izay nihady lalina ary nanisy fanorenana teo ambonin'ny vatolampy; ary nony tondraka ny rano, dia namely mafy izany trano izany ny riaka, nefa tsy nahahozongozona azy, satria tsara fanorenana izy.[Na: naorina teo ambonin'ny vatolampy izy]", "49": "Fa izay mandre, fa tsy mankato, dia tahaka ny olona izay nanao trano teo ambonin'ny tany, fa tsy nanisy fanorenana; dia namely azy mafy ny riaka, ka dia nirodana niaraka tamin'izay izy; ary loza ny naharavan'izany trano izany." }, "7": { "1": "Ary rehefa vitan'i Jesosy teo anatrehan'ny olona izany toriteniny rehetra izany, dia nankany Kapernaomy Izy.", "2": "Ary ny mpanompon'ny kapiteny anankiray, izay malalany, dia narary efa ho faty.", "3": "Koa raha nahare ny amin'i Jesosy ilay kapiteny, dia naniraka loholon'ny Jiosy hankeo aminy hangataka Azy mba ho avy ka hahasitrana ny mpanompony.", "4": "Ary rehefa tonga teo amin'i Jesosy ireo, dia nangataka mafy taminy ka nanao hoe: Miendrika ny hanaovanao izany izy,", "5": "satria tia ny firenentsika izy, sady izy no efa nanao ny synagoga ho antsika.", "6": "Ary Jesosy nandeha niaraka taminy. Ary rehefa efa mby teo akaikin'ny trano Izy, ilay kapiteny dia naniraka sakaiza hitsena Azy ka nanao taminy hoe: Tompoko, aza manahirana ny tenanao Hianao; fa tsy miendrika hidiranao ao ambanin'ny tafon-tranoko aho.", "7": "Koa na dia ny tenako aza dia nataoko fa tsy miendrika hankeo aminao; fa mitenena ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko.", "8": "Fa izaho koa mba lehilahy manan-dehibe ihany, ka manana miaramila izay feheziko; koa hoy izaho amin'ny anankiray: Mandehana, dia mandeha izy, ary amin'ny anankiray koa Avia, dia avy izy, ary amin'ny mpanompoko: Ataovy izao, dia manao izy.", "9": "Ary nony nahare izany Jesosy, dia gaga taminy; ary dia nitodika Izy ka nanao tamin'ny vahoaka izay nanaraka Azy hoe: Lazaiko aminareo fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho, na dia tamin'ny Isiraely aza.", "10": "Ary nony tafaverina tao an-trano ireo iraka ireo, dia hitany fa sitrana ilay mpanompo.", "11": "Ary taoriana kelin'izany Jesosy dia nankany an-tanana atao hoe Naina; ary naniraka Azy ny mpianany sy ny vahoaka betsaka.[Na: (nony ampitson'iny)]", "12": "Ary rehefa mby teo akaikin'ny vavahadin'ny tanana Izy, dia, indro, nisy fatin'ny lehilahy anankiray nentina nivoaka, izay zanakalahy tokan'ny reniny, sady mpitondratena ravehivavy; ary nisy vahoaka betsaka avy tao an-tanana nanaraka azy.", "13": "Ary nony nahita an-dravehivavy ny Tompo, dia onena azy ka nanao taminy hoe: Aza mitomany.", "14": "Ary nanatona Izy ka nanendry ny tranovorona, dia nijanona izay nilanja. Ary hoy Jesosy: zatovo, hoy Izaho aminao: Miarena.", "15": "Dia niarina ny maty sady niteny, ary dia natolony tamin-dreniny.", "16": "Ary raiki-tahotra ny olona rehetra ka nankalaza an'Andriamanitra hoe: Mpaminany lehibe no efa mitsangana eto amintsika; ary Andriamanitra efa nitsinjo ny olony.", "17": "Dia niely teny Jodia rehetra sy teny amin'ny tany manodidina rehetra ny lazan'i Jesosy ny amin'izany zavatra izany.", "18": "Ary ny mpianatr'i Jaona nanambara izany rehetra izany taminy.", "19": "Ary Jaona niantso ny mpianany roa lahy hankao aminy, dia naniraka azy hankany amin'ny Tompo hanao hoe: Hianao va Ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?", "20": "Ary nony tonga tany aminy ireo lehilahy ireo, dia nanao hoe: Jaona Mpanao-batisa naniraka anay hankaty; aminao hanao hoe: Hianao va Ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?", "21": "Ary tamin'izany ora izany Jesosy dia nahasitrana olona maro tamin'ny rofy sy ny aretina sy ny fanahy ratsy sady nampahiratra ny jamba maro.", "22": "Dia namaly Izy ka nanao taminy hoe: Mandehana ianareo, ambarao amin'i Jaona izao hitanareo sy renareo izao; mahiratra ny jamba, afaka ny mandringa, diovina ny boka, malady ny marenina, atsangana ny maty, ary ny malahelo dia itoriana ny filazantsara.", "23": "Ary sambatra izay tsy ho tafintohina noho ny amiko.", "24": "Ary rehefa lasa ny irak'i Jaona, dia nilaza an'i Jaona tamin'ny vahoaka Jesosy ka nanao hoe: Hizaha inona no nalehanareo tany an-efitra? Volotara nohozongozonin'ny rivotra va?", "25": "Sa hizaha inona no nalehanareo? Olona mitafy lamba soa va? Indro, ny mitafy lamba soa sy mihinana zava-py dia ao an-tranon'ny mpanjaka.[Gr. malemy]", "26": "Sa hizaha inona no nalehanareo tany? Mpaminany va? Eny, hoy Izaho aminareo, sady mihoatra lavitra noho ny mpaminany izy.", "27": "Fa izy ilay voasoratra hoe: Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, Izay hamboatra ny lalanao eo alohanao (Mal. 3. 1).", "28": "Lazaiko aminareo: Amin'izay nateraky ny vehivavy tsy misy lehibe noho Jaona; nefa ny kely indrindra amin'ny fanjakan'Andriamanitra dia lehibe noho izy.", "29": "Ary ny vahoaka rehetra sy ny mpamory hetra raha nandre, dia nanamarina an'Andriamanitra, satria natao batisa tamin'ny batisan'i Jaona izy.", "30": "Fa ny Fariseo sy ny mpahay lalana kosa nanda ny fikasan'Andriamanitra, satria tsy mba nanatona hataon'i Jaona batisa izy.", "31": "Tahaka ny inona ary no hanoharako ny olona amin'ity taranaka ity? tahaka ny inona moa izy?", "32": "Tahaka ny ankizy madinika mipetraka eny an-tsena izy, izay mifampiantso hoe: Efa nitsoka sodina taminareo izahay, nefa tsy nandihy ianareo; efa nanao feo fisaonana izahay, nefa tsy nitomany ianareo.", "33": "Fa tonga Jaona Mpanao-batisa tsy nihinan-kanina na nisotro divay, ka hoy ianareo: Manana demonia izy.", "34": "Tonga ny Zanak'olona mihinana sy misotro kosa, ka hoy ianareo: Indro, olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan'ny mpamory hetra sy ny mpanota.", "35": "Fa ny fahendrena dia hamarinin'ny zanany rehetra.", "36": "Ary ny Fariseo anankiray nanasa an'i Jesosy hiara-mihinana aminy; ary dia niditra tao an-tranon'ilay Fariseo Izy ka nipetraka nihinana.", "37": "Ary, indro, nisy vehivavy mpanota tao an-tanana, ka rehefa fantany fa Jesosy nipetraka nihinana tao an-tranon'ilay Fariseo, dia nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra izy;", "38": "ary nijanona teo ivohony tanilan'ny tongony izy ka nitomany, dia nahakotsa ny tongony tamin'ny ranomasony sy namaoka azy tamin'ny volon-dohany, dia nanoroka fatratra ny tongony ka nanosotra azy tamin'ny menaka manitra,", "39": "Ary nony nahita izany ilay Fariseo nanasa Azy, dia nanao anakampo hoe: Raha mpaminany Ity, dia ho nahalala io vehivavy manendry Azy io sy ny toeny; fa mpanota io.", "40": "Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Ry Simona, manan-kolazaina aminao Aho. Dia hoy izy: Lazao ary, Mpampianatra o.", "41": "Nisy roa lahy nananan'ny mpampanana vola anankiray trosa: ny iray nananany denaria diman-jato, ary ny iray kosa dimam-polo.", "42": "Ary raha tsy nanan-kaloa izy roa lahy, dia samy navelany. Koa iza moa amin'ireo no ho tia azy indrindra?", "43": "Simona namaly ka nanao hoe: Ataoko fa ilay namoizany be. Dia hoy Izy taminy: Marina ny hevitrao.", "44": "Ary Jesosy nitodika nijery an-dravehivavy ka nanao tamin'i Simona hoe: Hitanao va io vehivavy io? Niditra teto an-tranonao Aho; nefa tsy mba nanome Ahy rano hanasana ny tongotro ianao; fa izy kosa nahakotsa ny tongotro tamin'ny ranomasony, dia namaoka azy tamin'ny volon-dohany.", "45": "Tsy mba nanoroka Ahy akory ianao; fa izy, hatr'izay nidirako, dia tsy mbola nitsahatra nanoroka fatratra ny tongotro.", "46": "Ny lohako tsy mba nohosoranao diloilo akory; fa izy kosa nanoso-menaka manitra ny tongotro.", "47": "Ary amin'izany dia lazaiko aminao: Voavela ny helony be, fa be fitiavana izy; fa izay voavela tamin'ny kely dia kely fitiavana.", "48": "Dia hoy Izy tamin-dravehivavy: Voavela ny helokao.", "49": "Ary izay niara-nipetraka nihinana