UNPKG

mg-bibles

Version:

A package for accessing Bible verses in Malagasy (MG), Diem, King James (KJV), and Louis Segond (APEE) versions

279 lines 114 kB
{ "1": { "1": "Ary rehefa maty Mosesy, mpanompon'i Jehovah, dia hoy Jehovah tamin'i Josoa, zanak'i Nona, mpanompon'i Mosesy:", "2": "Efa maty Mosesy mpanompoko; koa mitsangana, mita ity Jordana ity ianao sy ireo olona rehetra ireo ho any amin'ny tany izay omeko azy, dia ny Zanak'Isiraely.", "3": "Ny tany rehetra izay hodiavin'ny faladianareo dia efa nomeko anareo, araka izay voalazako tamin'i Mosesy.", "4": "Hatramin'ny efitra sy iry Libanona iry ary hatramin'ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata, ny tany rehetra izay an'ny Hetita, ka hatramin'ny Ranomasina Lehibe any andrefana no ho taninareo.", "5": "Tsy hisy olona hahajanona eo anoloanao amin'ny andro rehetra hiainanao; tahaka ny nombako an'i Mosesy no hombako anao koa; tsy handao anao na hahafoy anao Aho.", "6": "Mahereza sy matanjaha; fa ianao no hampandova ity firenena ity ny tany izay nianianako tamin'ny razany homena azy.", "7": "Koa mahereza sy matanjaha tsara ianao, hitandremanao hanao araka ny lalana rehetra, izay nandidian'i Mosesy mpanompoko anao; aza miala aminy, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia, mba hambinina ianao amin'izay rehetra alehanao. [Na: ho hita ho hendry]", "8": "Aoka tsy hiala amin'ny vavanao ity bokin'ny lalana ity, fa saintsaino andro aman'alina, hitandremanao hanao araka izay rehetra voasoratra eo; ary amin'izany dia hahalavorary ny lalanao ianao sady hambinina. [Na: ho hita ho hendry]", "9": "Tsy efa nandidy anao va Aho? Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin'izay rehetra alehanao.", "10": "Ary Josoa nandidy ny mpifehy ka nanao hoe:", "11": "Andeha mamaky ny toby, ka mandidia ny olona hoe: Manamboara vatsy ho anareo; fa raha afaka hateloana, dia hita ity Jordana ity ianareo ka hiditra sy handova ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrareo ho lovanareo.", "12": "Ary ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen'i Manase dia nilazan'i Josoa hoe:", "13": "Tsarovy ny teny izay nandidian'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, anareo hoe: Jehovah Andriamanitrareo manome fitsaharana ho anareo, ary homeny ho anareo izao tany izao.", "14": "Ny vadinareo sy ny zanakareo madinika ary ny biby fiompinareo dia hitoetra eo amin'ny tany izay nomen'i Mosesy anareo ety; an-dafin'i Jordana; fa ianareo lehilahy mahery rehetra dia samy ho voaomana hiady ka hita eo alohan'ny rahalahinareo hanampy azy,", "15": "mandra-panomen'i Jehovah fitsaharana ny rahalahinareo tahaka anareo, ka mba holovany kosa ny tany izay nomen'i Jehovah Andriamanitrareo azy; dia hiverina ho any amin'ny taninareo ianareo ka handova azy, dia ilay nomen'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, anareo ety; an-dafy atsinanan'i Jordana.", "16": "Dia namaly an'i Josoa izy ireo ka nanao hoe: Izay rehetra andidianao anay dia hataonay; ary izay rehetra anirahanao anay dia halehanay.", "17": "Araka ny nihainoanay an'i Mosesy tamin'ny zavatra rehetra no hihainoanay anao koa; homba anao anie Jehovah Andriamanitrao tahaka ny nombany an'i Mosesy.", "18": "Izay rehetra manda ny didinao ka tsy mihaino ny teninao amin'izay rehetra andidianao azy dia hatao maty; koa mahereza sy matanjaha ianao." }, "2": { "1": "Ary Josoa, zanak'i Nona, dia naniraka mpisafo roa lahy mangingina avy tany Sitima ka niteny taminy hoe: Mandehana, izahao ny tany, indrindra fa Jeriko. Dia niainga izy roa lahy ary niditra tao an-tranon'ny vehivavy janga anankiray atao hoe Rahaba, ka nandry tao.", "2": "Ary nisy nilaza tamin'ny mpanjakan'i Jeriko hoe: Injao, misy olona avy tamin'ny Zanak'Isiraely tonga aty; izao alina izao hisafo ny tany.", "3": "Dia naniraka tao amin'i Rahaba ny mpanjakan'i Jeriko ka nanao hoe: Avoahy ireo lehilahy tonga ato an-tranonao ireo; fa hisafo ny tany no nihaviany.", "4": "Dia nalain-dravehivavy izy roa lahy ka nafeniny ary hoy izy: Tonga taty; amiko ihany tokoa ireny lehilahy ireny, nefa tsy fantatro izay nihaviany;", "5": "ary rehefa maizina ny andro, ka hohidiana ny vavahady, dia lasa nivoaka izy, ka tsy fantatro indray izay nalehany; enjeho faingana izy, fa ho tratranareo.", "6": "Kanjo efa nampiakarin-dravehivavy any an-tampon-trano izy ka nafeniny ao amin'ny tahon-drongony, izay efa nalahany teo amin'ny tampon-trano.", "7": "Ary ireo olona dia nanenjika azy tamin'ny lalana mankany Jordana hatrany amin'ny fitana; ary rehefa lasa nivoaka izay nanenjika azy, dia nohidiana ny vavahady.", "8": "Ary raha mbola tsy natory izy roa lahy, dia niakatra nankao aminy tao an-tampontrano ravehivavy", "9": "ka nanao taminy hoe: Fantatro fa efa nomen'i Jehovah anareo ny tany, ary efa latsaka aminay ny fahatahorana anareo, sady efa ketraka ny mponina rehetra amin'ny tany noho ny tahotra anareo.", "10": "Fa efa renay ny nanamainan'i Jehovah ny Ranomasina Mena teo anoloanareo tamin'ny nivoahanareo avy tany Egypta, sy izay nataonareo tamin'ny mpanjaka roa tamin'ny Amorita, izay tany an-dafin'i Jordana, dia Sihona sy Oga, izay novonoinareo.", "11": "Koa nony efa renay izany, dia ketraka ny fonay, ka very hevitra avokoa izahay noho ny aminareo; fa Jehovah Andriamanitrareo, Izy no Andriamanitra any amin'ny lanitra ambony sy ety; amin'ny tany ambany.", "12": "Koa ankehitriny, mas�na ianareo, mba ianiano amin'i Jehovah aho fa araka ny namindrako fo taminareo no mba hamindranareo fo amin'ny ankohonan'ny raiko kosa, ka omeo famantarana mahatoky aho", "13": "fa hovelominareo ny raiko sy ny reniko sy ny anadahiko sy ny rahavaviko ary izay rehetra mety ho azy; dia hamonjy ny ainay tsy ho faty ianareo.", "14": "Dia hoy izy roa lahy taminy: Ny ainay no ho faty hisolo anareo, raha tsy holazainareo izao raharahanay izao; ary raha omen'i Jehovah anay ny tany, dia hamindra fo sy hanao izay marina aminao izahay.", "15": "Dia nampidina azy tamin'ny mahazaka avy teo amin'ny varavarankely izy; fa teo amin'ny mandan'ny tanana ny tranony, ary teo amin'ny manda no nitoerany.", "16": "Dia hoy izy taminy: Mandehana any an-tendrombohitra, fandrao hifanena aminareo ny mpanenjika, ka miere any hateloana mandra-piveriny; ary rehefa afaka izany, dia vao mandehana any amin'izay halehanareo.", "17": "Ary hoy izy roa lahy taminy: Izao no tsy hanananay tsiny ny amin'izany fianianana nampianianinao anay izany:", "18": "Indro, rehefa tonga eto amin'ny tany izahay, dia hafehinao eo amin'ny varavarankely izay nampidinanao anay io kofehy jaky io; ary ny rainao sy ny reninao sy ny anadahinao mbamin'ny ankohonan'ny rainao rehetra dia hovorinao ho ao an-tranonao;", "19": "ary izay rehetra mivoaka eo am-baravaran'ny tranonao ho eny ivelany, dia ho eo an-dohany ihany ny rany, ary izahay tsy hanan-tsiny; fa izay rehetra mitoetra ao aminao ao an-trano, dia ho eo an-dohanay kosa ny rany, raha tahiny misy olona maninona azy akory;", "20": "fa raha tahiny hambarambaranao izao raharahanay izao, dia ho afaka amin'ny fianianana izay nampianianinao anay izahay.", "21": "Dia hoy ravehivavy: Eny ary, fa marina izany. Dia nampandehaniny izy roa lahy, ka lasa izy; ary nafehiny teo amin'ny varavarankely ilay kofehy jaky.", "22": "Dia nandeha izy roa lahy ka nankany an-tendrombohitra ary nitoetra tany hateloana mandra-piverin'ny mpanenjika; ary nitady azy tamin'ny lalana rehetra ny mpanenjika, nefa tsy nahita.", "23": "Dia niverina izy roa lahy ka nidina avy tany an-tendrombohitra, dia nita ny ony ary nankany amin'i Josoa, zanak'i Nona, ka nilaza ny zavatra rehetra izay efa nihatra taminy,", "24": "ka hoy izy tamin'i Josoa: Efa natolotr'i Jehovah eo an-tanantsika tokoa ny tany rehetra; ary efa ketraka ny mponina rehetra amin'ny tany noho ny tahotra antsika." }, "3": { "1": "Dia nifoha maraina koa Josoa; ary ny olona dia niala tany Sitima ka nankany Jordana, dia Josoa sy ny Zanak'Isiraely rehetra, ary nitoetra teo izy aloha vao nita.", "2": "Ary rehefa afaka hateloana, dia nandeha namaky ny toby ny mpifehy", "3": "ka nandidy ny olona hoe: Rehefa hitanareo ny fiaran'ny faneken'i Jehovah Andriamanitrareo ary ny Levita mpisorona mitondra azy, dia miala amin'izay itoeranareo, ka manaraha azy", "4": "(kanefa asio elanelany, tokony ho roa arivo hakiho, aminareo sy izy, fa aza manakaiky azy), mba ho fantatrareo ny lalana izay mety halehanareo; fa tsy mbola nalehanareo akory izao lalana izao.", "5": "Ary hoy Josoa tamin'ny olona: Manamasina ny tenanareo: fa rahampitso dia hanao fahagagana eo aminareo Jehovah.", "6": "Ary niteny tamin'ny mpisorona Josoa ka nanao hoe: Ento ny fiaran'ny fanekena, ka mita eo anoloan'ny olona. Dia nitondra ny fiaran'ny fanekena izy ka nandeha teo anoloan'ny olona.", "7": "Ary hoy Jehovah tamin'i Josoa: Anio no hanandratako anao eo imason'ny Isiraely rehetra, hahafantarany fa tahaka ny nombako an'i Mosesy no hombako anao koa.", "8": "Ary mandidia ny mpisorona izay mitondra ny fiaran'ny fanekena, ka ataovy hoe: Rehefa mihatra amin'ny moron'i Jordana ianareo, dia mijanona eo Jordana ihany.", "9": "Ary Josoa nanao tamin'ny Zanak'Isiraely hoe: Mankanesa aty;, ka mihainoa ny tenin'i Jehovah Andriamanitrareo.", "10": "Dia hoy Josoa: Izao no hahafantaranareo fa eo aminareo Andriamanitra velona, ka horoahiny eo alohanareo tokoa ny Kananita sy ny Hetita sy ny Hivita sy ny Perizita sy ny Girgasita sy ny Amorita ary ny Jebosita:", "11": "Indro, ny fiaran'ny faneken'ny Tompon'ny tany rehetra no mandroso eo alohanareo ho eo Jordana;", "12": "koa ankehitriny mangala lehilahy roa ambin'ny folo amin'ny firenen'Isiraely ho anareo, dia iray avy isam-pirenena;", "13": "ary raha vao mijanona eo amin'ny rano Jordana ny faladian'ny mpisorona izay mitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, Tompon'ny tany rehetra, dia ho tapaka ny rano Jordana, dia ny rano izay midina avy any ambony, ka hijanona ho toy ny antontan-javatra.", "14": "Ary raha niala tamin'ny lainy hita an'i Jordana ny olona, ary ny mpisorona nitondra ny fiaran'ny fanekena eo alohan'ny olona,", "15": "ka tonga teo Jordana izay nitondra ny fiara, ary naroboky ny mpisorona izay nitondra ny fiara tamin'ny sisin-drano ny tongony (fa tondraka mihoatra ny morony rehetra Jordana mandritra ny fararano),", "16": "dia nijanona ny rano izay nidina avy tany ambony ka tonga toy ny antontan-javatra tery; lavitra ery;, dia tery; amin'ny tanana Adama, izay eo anilan'i Zaretana; eny, tapaka tokoa ny rano izay nidina ho any amin'ny ranomasin'ny tani-hay, dia ny Ranomasin-tsira; ary ny olona dia nita tandrifin'i Jeriko. [Heb. Araba]", "17": "Ary ny mpisorona izay nitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah dia nijoro tsara tamin'ny tany maina teo afovoan'i Jordana, ary ny Isiraely rehetra nandeha tamin'ny tany maina mandra-pahatafitan'izy rehetra an'i Jordana." }, "4": { "1": "Ary rehefa tafita an'i Jordana avokoa ny olona rehetra, Jehovah dia niteny tamin'i Josoa hoe:", "2": "Mangala lehilahy roa ambin'ny folo amin'ny olona, dia iray avy isam-pirenena,", "3": "ka mandidia azy hoe: Maka vato roa ambin'ny folo eo afovoan'i Jordana eo amin'ilay nijoroan'ny tongotry ny mpisorona, dia ento miaraka aminareo, ka avelao eo amin'izay handrianareo anio alina.", "4": "Dia nantsoin'i Josoa ny lehilahy roa ambin'ny folo, izay nofidiny tamin'ny Zanak'Isiraely dia iray avy isam-pirenena,", "5": "ary hoy izy taminy: Mandehana eo alohan'ny fiaran'i Jehovah Andriamanitrareo ho eo afovoan'i Jordana, ka samia manainga vato iray avy ho eny an-tsorony ianareo rehetra, araka ny isan'ny firenen'ny Zanak'Isiraely,", "6": "mba ho famantarana eo aminareo izany, raha manontany ny zanakareo amin'ny andro ho avy manao hoe: Inona no ataonareo ho anton'ireo vato ireo?", "7": "dia holazainareo aminy hoe: Tapaka ny rano Jordana teo anoloan'ny fiaran'ny faneken'i Jehovah; fa raha nita an'i Jordana ny fiara, dia tapaka ny rano; ary ireo vato ireo dia ho fahatsiarovana mandrakizay ho an'ny Zanak'Isiraely.", "8": "Dia nanao izany ny Zanak'Isiraely araka izay nandidian'i Josoa ka naka vato roa ambin'ny folo teo afovoan'i Jordana, araka izay nolazain'i Jehovah tamin'i Josoa, araka ny isan'ny firenen'ny Zanak'Isiraely ka nentiny nita niaraka taminy ho eo amin'izay nitobiany ka napetrany teo.", "9": "Ary vato roa ambin'ny folo no natsangan'i Josoa teo Jordana, teo amin'ilay nijoroan'ny tongotry ny mpisorona izay nitondra ny fiaran'ny fanekena; ary mbola ao ihany ireny mandraka androany.", "10": "Fa ny mpisorona izay nitondra ny fiara nijanona teo afovoan'i Jordana mandra-pahavitan'ny zavatra rehetra izay nandidian'i Jehovah an'i Josoa holazaina amin'ny olona, araka izay rehetra nandidian'i Mosesy an'i Josoa; dia nita faingana ny olona.", "11": "Ary rehefa tafita avokoa ny olona rehetra, dia nita koa ny fiaran'i Jehovah sy ireo mpisorona teo anoloan'ny olona.", "12": "Ary ny taranak'i Robena sy ny taranak'i Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase dia samy efa voaomana hiady ka nita teo alohan'ny Zanak'Isiraely koa, araka izay efa nolazain'i Mosesy taminy.", "13": "Tokony ho lehilahy efatra alina efa voaomana hiady no nita teo anatrehan'i Jehovah hanafika, ho eo amin'ny tani-hay any Jeriko. [Heb. Araba]", "14": "Tamin'izany andro izany no nanandratan'i Jehovah an'i Josoa teo imason'ny Isiraely rehetra; ka dia natahotra azy ny olona, tahaka ny efa natahorany an'i Mosesy, tamin'ny andro rehetra niainany.", "15": "Ary Jehovah niteny tamin'i Josoa ka nanao hoe:", "16": "Mandidia ny mpisorona izay mitondra ny fiaran'ny Vavolombelona hiakatra hiala eo Jordana. [Dia ny didy folo]", "17": "Dia nandidy ny mpisorona Josoa ka nanao hoe: Miakara hiala eo Jordana ianareo.", "18": "Ary rehefa niakatra niala teo afovoan'i Jordana ka nanainga ny faladiany ho eo amin'ny tanety ireo mpisorona izay nitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah ireo, dia avy indray ny rano Jordana nankamin'ny fitoerany ka nihoatra ny morony rehetra tahaka ny teo aloha ihany.", "19": "Ary ny olona niakatra niala teo Jordana tamin'ny andro fahafolo tamin'ny volana voalohany ka nitoby tany Gilgala, teo amin'ny sisin-tany atsinanan'i Jeriko.", "20": "Ary ireny vato roa ambin'ny folo nalainy teo Jordana ireny dia natsangan'i Josoa tany Gilgala.", "21": "Dia niteny tamin'ny Zanak'Isiraely izy ka nanao hoe: Raha manontany ny rainy ny taranakareo any amin'ny andro ho avy hoe: Inona no anton'ireo vato ireo?", "22": "dia hambaranareo aminy hoe: Tamin'ny tany maina no nitan'ny Isiraely ity Jordana ity.", "23": "Fa nataon'i Jehovah Andriamanitrareo maina ny falehan'ny rano Jordana teo anoloanareo mandra-pitanareo, dia tahaka ny nataon'i Jehovah Andriamanitrareo tamin'ny Ranomasina Mena, izay nataony maina teo anoloantsika mandra-pitantsika,", "24": "mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin'ny tany fa mahery ny tanan'i Jehovah, ary mba hatahorany an'i Jehovah Andriamanitrareo mandrakizay." }, "5": { "1": "Ary ny mpanjaka rehetra amin'ny Amorita any an-dafy andrefan'i Jordana sy ny mpanjaka rehetra tamin'ny Kananita any amoron'ny ranomasina, rehefa nandre ny nanamainan'i Jehovah ny rano Jordana teo anoloan'ny Zanak'Isiraely mandra-pitany, dia ketraka ny fony ka very hevitra izy noho ny tahony ny Zanak'Isiraely. [Na: (mandra-pitantsika)]", "2": "Tamin'izany andro izany no nilazan'i Jehovah tamin'i Josoa hoe: Manaova fiharatra vato ho anao, ka atombohy indray ny famorana ny Zanak'Isiraely.", "3": "Dia nanao fiharatra vato ho azy Josoa ka namora ny Zanak'Isiraely teo an-kavoana Haralota.", "4": "Ary izao no anton'ny namoran'i Josoa azy: Ny lehilahy rehetra izay nivoaka avy tany Egypta, dia ny mpanafika rehetra, samy maty tany an-fitra teny an-dalana, tamin'izy efa nivoaka avy tany Egypta.", "5": "Ary voafora ny lehilahy rehetra izay nivoaka; fa ny lehilahy rehetra nateraka teny an-dalana tany an-efitra, tamin'izy efa nivoaka avy tany Egypta, dia tsy mbola voafora kosa.", "6": "Fa efa-polo taona no nandehanan'ny Zanak'Isiraely tany an-efitra, mandra-pahalany ritran'ny olona rehetra, dia ny mpanafika izay nivoaka avy tany Egypta, satria tsy nihaino ny feon'i Jehovah izy; dia ireo no nianianan'i Jehovah fa tsy havelany hahita ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razana homeny antsika, dia tany tondra-dronono sy tantely.", "7": "Ary ny zanany no natsangany handimby azy, ka ireo no noforan'i Josoa; fa tsy mbola voafora ireo, satria tsy noforana teny an-dalana.", "8": "Ary rehefa noforana ny lehilahy rehetra, dia nitoetra tao amin'ny fitoerany tany an-toby izy mandra-pahasitrany.", "9": "Dia hoy Jehovah tamin'i Josoa: Androany no nanakodiavako ny fandatsan'i Egypta ho afaka aminareo. Ary ny anaran'izany tany izany dia nataony hoe Gilgala mandraka androany. [Gilgala = Fanakodiavana]", "10": "Ary ny Zanak'Isiraely nitoby tany Gilgala ka nitandrina ny Paska tamin'ny harivan'ny andro fahefatra ambin'ny folo tamin'ny volana, teo amin'ny tani-hay any Jeriko.[Heb. Araba]", "11": "Ary nony ampitson'ny Paska, dia nihinana ny vokatry ny tany izy tamin'izany andro izany indrindra, dia mofo tsy misy masirasira sy lango.", "12": "Ary nitsahatra ny mana tamin'iny andro ampitso iny, dia tamin'ny nihinanany ny vokatry ny tany, ka tsy nisy mana ho an'ny Zanak'Isiraely intsony; fa nihinana ny vokatry ny tany Kanana izy tamin'izany taona izany.", "13": "Ary nony teo akaikin'i Jeriko Josoa, dia nanopy ny masony izy ka nijery, ary, indro, nisy lehilahy nitsangana tandrifiny, ka ny sabany voatsoaka dia teny an-tanany; ary nanatona Azy Josoa ka nanao taminy hoe: Namanay va Hianao, sa naman'ny fahavalonay?", "14": "Dia hoy Izy: Tsia; fa Izaho dia Komandin'ny miaramilan'i Jehovah ka tonga aty; ankehitriny. Dia niankohoka tamin'ny tany Josoa ka nanao taminy hoe: Inona no holazainao amin'ny mpanomponao, Tompokolahy ?", "15": "Dia hoy Ilay Komandin'ny miaramilan'i Jehovah tamin'i Josoa: Esory amin'ny tongotrao ny kapanao; fa masina io tany ijanonanao io. Dia nataon'i Josoa izany." }, "6": { "1": "Ary nihidy mafy Jeriko tamin'izany noho ny Zanak'Isiraely: tsy nisy nivoaka, ary tsy nisy niditra.", "2": "Ary hoy Jehovah tamin'i Josoa: Indro, efa natolotro eo an-tananao Jeriko sy ny mpanjakany mbamin'ny lehilahy mahery.", "3": "Koa mandehana manodidina ny tanana indray mandeha ianareo mpanafika rehetra; henemana no hanaovanao izany.", "4": "Ary asio mpisorona fito mitondra anjomara fito mafy faneno eo alohan'ny fiara; ary amin'ny andro fahafito dia hodidino impito ny tanana, ary aoka ny mpisorona hitsoka ny anjomara.", "5": "Ary raha manao feo lavareny ny anjomara mafy faneno, ka renareo ny feon'ny anjomara, dia hanakora mafy ny vahoaka rehetra; ka dia hirodana amin'izay ny mandan'ny tanana, ary hiakatra samy hizotra amin'izay hitsiny avy ny olona.", "6": "Dia niantso ny mpisorona Josoa, zanak'i Nona, ka nanao taminy hoe: Ento ny fiaran'ny fanekena, ary asio mpisorona fito mitondra anjomara fito mafy faneno eo alohan'ny fiaran'i Jehovah.", "7": "Dia hoy izy tamin'ny vahoaka: Mandehana, ka manodidina ny tanana, ary aoka ny olona efa voaomana hiady handeha eo alohan'ny fiaran'i Jehovah.", "8": "Ary rehefa niteny tamin'ny vahoaka Josoa, dia nandeha ireo mpisorona fito nitondra ny anjomara fito mafy faneno teo alohan'i Jehovah ka nitsoka ny anjomara; ary ny fiaran'ny faneken'i Jehovah nanaraka azy.", "9": "Ary ny olona efa voaomana hiady dia nandeha teo alohan'ny mpisorona izay nitsoka ny anjomara, ary ny vodi-lalana nanaraka ny fiara; ary notsofina teny am-pandehanana ny anjomara.", "10": "Ary ny vahoaka efa noraran'i Josoa hoe: Aza manakora na mamoaka feo na miloa-bava akory aza mandra-pahatongan'ny andro hanaovako aminareo hoe: Manakora! dia vao amin'izay ianareo no hanakora.", "11": "Ary nanodidina ny tanana indray mandeha ny fiaran'i Jehovah; dia nankany an-toby ny olona ka nitoetra tany.", "12": "Dia nifoha maraina koa Josoa, ary ny mpisorona nitondra ny fiaran'i Jehovah.", "13": "Ary ny mpisorona fito izay nitondra ny anjomara fito mafy faneno teo alohan'ny fiaran'i Jehovah dia nandeha mandrakariva ka nitsoka ny anjomara; ary ny olona efa voaomana hiady dia nandeha teo alohany; ary ny vodi-lalana kosa dia nanaraka ny fiaran'i Jehovah; ary notsofina teny am-pandehanana ny anjomara.", "14": "Dia nanodidina ny tanana indray mandeha koa izy tamin'ny andro faharoa ka niverina tany an-toby; henemana no nanaovany toy izany.", "15": "Ary tamin'ny andro fahafito dia nifoha maraina koa izy, raha mbola nazava ratsy ny andro ka nanodidina ny tanana impito toy ny nataony teo, nefa tamin'izany andro izany ihany no nanodidina ny tanana impito izy.", "16": "Ary tamin'ny nandehanany fanimpitony, raha nitsoka ny anjomara ny mpisorona, dia hoy Josoa tamin'ny vahoaka: Manakora! fa efa nomen'i Jehovah anareo ny tanana.", "17": "Dia hatolotra ho an'i Jehovah ho zavatra voaozona ny tanana sy izay rehetra ao; fa Rahaba janga ihany no hovelomina, dia izy sy izay rehetra ao aminy ao an-trano, satria nanafina ny iratsika izy. [Heb. herema; izahao Lev. XXII. 28]", "18": "Kanefa mitandrema kosa ianareo ny amin'ny zavatra voaozona, fandrao manolotra zavatra ho voaozona ianareo, nefa maka amin'ny zavatra voaozona kosa, ka mahatonga ny tobin'ny Isiraely ho voaozona ary mampidi-doza aminy.", "19": "Fa ny volafotsy sy ny volamena rehetra ary ny fanaka varahina sy vy dia masina ho an'i Jehovah; hatao ao amin'ny rakitr'i Jehovah izany.", "20": "Dia nanakora ny olona, ary notsofina ny anjomara; ary nony ren'ny vahoaka ny feon'ny anjomara, dia nanakora mafy izy, ka nirodana tamin'izay ny manda, ary niakatra tao an-tanana samy nizotra tamin'izay hitsiny avy ny olona, ka afaka ny tanana.", "21": "Ary naringany tamin'ny lelan-tsabatra izay rehetra tao an-tanana, na lehilahy na vehivavy, na tanora na antitra, na omby, na ondry aman'osy, na boriky. [Heb. nataony herema]", "22": "Ary izy roa lahy izay efa nisafo ny tany dia efa nilazan'i Josoa hoe: Mankanesa ao amin'ny tranon'ilay vehivavy janga, ka ento mivoaka ravehivavy sy ny havany rehetra ary izay mety ho azy, araka izay nianiananareo taminy.", "23": "Dia nankao ireo zatovo nisafo ireo ka nitondra an-dRahaba nivoaka sy ny rainy aman-dreniny sy ny anadahiny ary ny havany rehetra mbamin'izay nety ho azy; dia nitondra ny mpianakaviny rehetra nivoaka izy ka nametraka azy teo ivelan'ny tobin'ny Isiraely.", "24": "Ary ny tanana sy izay rehetra tao dia nodorany tamin'ny afo, nefa ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka varahina sy vy dia nataony tao amin'ny rakitry ny tranon'i Jehovah.", "25": "Fa Rahaba janga sy ny ankohonan'ny rainy sy ny havany rehetra mbamin'izay nety ho azy dia novelomin'i Josoa, ary mitoetra eo amin'ny Isiraely mandraka androany ravehivavy, satria nanafina ny iraka izay efa nirahin'i Josoa hisafo an'i Jeriko izy.", "26": "Dia nilaza fanozonana Josoa tamin'izany andro izany ka nanao hoe: Ho voaozona eo anatrehan'i Jehovah izay olona mitsangana manorina ity tanana Jeriko ity indray; ny ain'ny lahimatoany no ho sazin'ny hanorenany ny fanambaniny, ary ny ain'ny faralahiny no ho sazin'ny hananganany ny vavahadiny.", "27": "Ary Jehovah nomba an'i Josoa, ka niely tamin'ny tany rehetra ny lazany." }, "7": { "1": "Fa ny Zanak'Isiraely nandika ny didy ny amin'ny zavatra voaozona; fa Akana, zanak'i Karmy, zanak'i Zabdy, zanak'i Zera, avy tamin'ny firenen'i Joda, naka tamin'ny zavatra efa voaozona, ka dia nirehitra tamin'ny Zanak'Isiraely ny fahatezeran'i Jehovah.", "2": "Ary Josoa naniraka olona hiala tany Jeriko hankany Ay, izay eo anilan'i Betavena, atsinanan'i Betela, ka niteny taminy hoe: Miakara, ka safoy ny tany. Dia niakatra ny olona ka nisafo an'i Ay.", "3": "Ary niverina tany amin'i Josoa izy ireo ka nanao taminy hoe: Aoka tsy hiakatra avokoa ny vahoaka rehetra; fa olona tokony ho roa arivo na telo arivo no aoka hiakatra hamely an'i Ay; aza manasatra ny vahoaka rehetra hankany, fa vitsy ihany izy.", "4": "Dia niakatra nankany ny olona sasany, tokony ho telo arivo lahy; kanjo nandositra teo anoloan'ny mponina tao Ay ireo.", "5": "Dia nahafaty tokony ho enina amby telo-polo lahy ny mponina tao Ay sady nanenjika azy teo anoloan'ny vavahady ka hatrany Sebarima izy ary namely azy teny am-pidinana; dia ketraka ny fon'ny vahoaka ka tonga tahaka ny rano.", "6": "Dia notriarin'i Josoa ny fitafiany, ka niankohoka tamin'ny tany teo anoloan'ny fiaran'i Jehovah mandra-paharivan'ny andro izy sy ny loholon'ny Isiraely, sady nasiany vovoka ny lohany.", "7": "Ary hoy Josoa: Indrisy, Jehovah Tompo o! nahoana no nampita ity firenena ity foana teo Jordana Hianao, hanoloranao anay eo an-tanan'ny Amorita handringanana anay? Inay anie izahay mba nety nitoetra tany an-dafin'i Jordana ihany!", "8": "Indrisy, Tompo o! inona intsony no holazaiko, fa ny Isiraely efa niamboho teo anoloan'ny fahavalony?", "9": "Ary ho ren'ny Kananita sy ny mponina rehetra amin'ny tany izany, dia hanodidina anay izy ka hamono ny anaranay tsy ho eo amin'ny tany intsony; ary hataonao ahoana ny anaranao lehibe?", "10": "Dia hoy Jehovah tamin'i Josoa: Mitsangana; nahoana no miankohoka toy izao ianao?", "11": "Efa nanota ny Isiraely ka nivadika ny fanekeko izay nandidiako azy; fa efa naka tamin'ny zavatra voaozona izy, sady nangalatra sy namitaka koa, ka nataony ao amin'ny entany.", "12": "Koa tsy mahajanona eo anoloan'ny fahavalony ny Zanak'Isiraely; miamboho eo anoloan'ny fahavalony izy, satria tonga voaozona. Tsy homba anareo intsony Aho, raha tsy holevonina tsy ho eo aminareo ny zavatra efa voaozona.", "13": "Mitsangana, manamasina ny vahoaka, ka lazao hoe: Manamasina ny tenanareo mandra-pahamaraina; fa izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Eo aminao misy zavatra efa voaozona, ry Isiraely; koa tsy mahajanona eo anoloan'ny fahavalonao ianao mandra-panaisotrareo ny zavatra efa voaozona tsy ho eo aminareo intsony.", "14": "Dia hampanatonina ianareo raha maraina araka ny firenenareo avy; koa ny firenena izay tanan'i Jehovah dia hanatona isam-pokony; ary ny foko izay tanan'i Jehovah dia hanatona indray isam-pianakaviana; ary ny fianakaviana izay tanan'i Jehovah dia hanatona indray isam-batan'olona.", "15": "Koa izay azo mitana ny zavatra voazona, dia hodorana amin'ny afo izy mbamin'izay rehetra mety ho azy, satria nivadika ny faneken'i Jehovah izy ka nanao izay fady indrindra teo amin'ny Isiraely.[Heb. fahadalana]", "16": "Dia nifoha maraina koa Josoa ka nampanatona ny Isiraely araka ny fireneny avy; ary ny firenen'i Joda no notanana.", "17": "Dia nitondra ireo fokon'i Joda izy; ka ny fianakavian'i Zera no notanana; dia nampanatona ny fianakavian'i Zera indray isam-batan'olona izy, ka Zabdy no notanana;", "18": "dia nampanatona ny ankohonany araka ny olona tsirairay izy; dia Akana, zanak'i Karmy, zanak'i Zabdy zanak'i Zera, avy tamin'ny firenen'i Joda, no notanana.", "19": "Dia hoy Josoa tamin'i Akana: Anaka, mas�na ianao, omeo voninahitra Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, ka mitsora aminy; ary lazao amiko ankehitriny izay nataonao; aza afeninao ahy izany.[Na: midera azy]", "20": "Ary Akana namaly an'i Josoa ka nanao hoe; Eny tokoa, izaho no nanota tamin'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely. ary izao ka izao no nataoko:", "21": "Nahita kapoty tsara avy any Babylona aho sy sekely volafotsy roanjato ary anja-bolamena, lanjan-tsekely dimam-polo, tamin'ny babo, dia nitsiriritra ireny aho ka naka; ary, indreo, voafina ao ambanin'ny tany ao amin'ny laiko ireny, ary ny volafotsy ao ambaniny.", "22": "Dia naniraka olona Josoa, ka nihazakazaka nankany amin'ny lay ireo, ary, indro, voafina tao anatin'ny lainy ny zavatra, ary ny volafotsy tao ambaniny.", "23": "Dia nalainy avy ao amin'ny lay ireny ka nentiny teo amin'i Josoa sy ny Zanak'Isiraely rehetra, ary napetrany teo anatrehan'i Jehovah", "24": "Dia nalain'i Josoa sy ny Isiraely rehetra Akana, zanak'i Zera, ary ny volafotsy sy ny kapoty sy ny anja-bolamena ary ny zananilahy sy ny zananivavy ary ny ombiny sy ny borikiny sy ny ondriny aman'osiny ary ny lainy mbamin'izay rehetra nety ho azy; dia nentiny ho ao an-dohasaha Akora ireny.", "25": "Ary hoy Josoa: Adray ny loza nampidirinao taminay! Mba hahatonga loza aminao kosa Jehovah anio. Dia nitora-bato azy ny Isiraely rehetra ary nandoro ireny tamin'ny afo sady nanangom-bato teo amboniny.", "26": "Dia nanao antontam-bato lehibe hanarona azy mandraka androany izy. Ary Jehovah dia nionona tamin'ny fahatezerany mirehitra. Izany no nanaovana ny anaran'izany tany mandraka androany hoe Lohasaha Akora.[Akora = fampidiran-doza]" }, "8": { "1": "Dia hoy Jehovah tamin'i Josoa: Aza matahotra na mivadi-po ianao, ento miaraka aminao ny vahoaka rehetra mpanafika, ka miainga, iakaro Ay; indro, efa natolotro eo an-tananao ny mpanjakan'i Ay mbamin'ny vahoakany sy ny tananany ary ny taniny.", "2": "Dia tahaka ny nataonao tamin'i Jeriko sy ny mpanjakany no hataonao koa amin'i Ay sy sy mpanjakany; nefa ny fananana rehetra sy ny biby fiompy ao dia halainareo ho babo ho anareo ihany; asio otrika eo ankoatry ny tanana.", "3": "Dia niainga Josoa sy ny mpanafika rehetra hiakatra any Ay, ary nifidy lehilahy mahery telo alina Josoa ka nandefa ireo tamin'ny alina.", "4": "Dia nandidy azy izy ka nanao hoe: Indro, ianareo hanotrika eo ivohon'ny tanana hamely azy, ka aza manalavitra azy loatra, fa miomana ianareo rehetra.", "5": "Ary izaho sy ny vahoaka rehetra izay miaraka amiko kosa dia hanatona ny tanana; ary rehefa mivoaka hamely anay tahaka ny teo ny olona, dia handositra eo anoloany izahay.", "6": "Dia hivoaka hanenjika anay izy mandra-pitarikay azy hiala ao an-tanana; fa izy hanao hoe: Mandositra eo anoloantsika tahaka ny teo izy; dia hanao tari-dositra eo anoloany izahay.", "7": "Ary dia hiroatra avy ao amin'ny fanotrehana kosa ianareo, ka ho azonareo ny tanana; fa atolotr'i Jehovah Andriamanitrareo eo an-tananareo izy.", "8": "Ary rehefa afakareo ny tanana, dia dory amin'ny afo; araka ny didin'i Jehovah no hataonareo; indro, efa nandidy anareo aho.", "9": "Dia nampandehanin'i Josoa izy ireo, ary nandeha hanotrika ka nitoetra teo andrefan'i Ay, teo anelanelan'i Betela sy Ay; fa Josoa kosa nitoetra teo amin'ny vahoaka ihany tamin'izany alina izany.", "10": "Dia nifoha maraina koa Josoa ka nandamina ny vahoaka, ary niakatra teo alohan'ny vahoaka hankany Ay izy sy ny loholon'ny Isiraely.", "11": "Ary ny vahoaka rehetra mpanafika, izay niaraka tamin'i Josoa, dia niakatra ka nanakaiky sy nanandrify ny tanana; ary nitoby teo avaratr'i Ay izy, ka ny lohasaha no teo anelanelan'izy sy Ay.", "12": "Dia naka olona tokony ho dimy arivo lahy izy ka nampanotrika azy teo anelanelan'i Betela sy Ay, andrefan'ny tanana.", "13": "Ary rehefa voalahatry ny vahoaka ny toby rehetra izay teo avaratry ny tanana sy ny otrika teo andrefan'ny tanana, dia nandeha nankeo amin'ny lohasaha Josoa tamin'izany alina izany.", "14": "Ary rehefa hitan'ny mpanjakan'i Ay izany, dia nifoha maraina koa ny olona tao an-tanana ka nivoaka faingana hiady tamin'ny Isiraely, teo amin'ny tany nifamotoanany tandrifin'ny tani-hay, dia ny mpanjaka sy ny vahoakany: fa tsy fantany ho nisy otrika hamely azy tao ankoatry ny tanana. [Na: fotoana]", "15": "Ary Josoa sy ny Isiraely rehetra nody resy teo anoloany ka nanao tari-dositra tamin'ny lalana mankany an-efitra.", "16": "Dia nifampiantso hanenjika azy ny vahoaka rehetra izay tao an-tanana; ary nanenjika an'i Josoa izy, ka dia voatarika ho tafavoaka ny tanana.", "17": "Ary tsy nisy lehilahy sisa, na tao Ay na tao Betela, izay tsy nivoaka hanenjika ny Isiraely; ary nilaozany mbola nivoha ny tanana, ka lasa nanenjika ny Isiraely izy.", "18": "Ary hoy Jehovah tamin'i Josoa: Atondroy an'i Ay ny lefona izay eny an-tananao; fa hatolotro eo an-tananao Ay. Dia natondron'i Josoa ny tanana ny lefona izay teny an-tanany.", "19": "Dia niroatra faingana ny otrika avy tao amin'ny nitoerany ka nihazakazaka, raha vao natondrony ny tanany; dia niditra tao an-tanana izy ka nahafaka azy ary nandoro azy faingana tamin'ny afo.", "20": "Ary niherika ny mponina tao Ay, ka hitany fa, indro, ny setroky ny tanana niakatra ho any an-danitra, sady tsy nisy handosirany akory , na ho ety;, na ho ery;; fa ny Isiraely izay nanao tari-dositra ho any an-efitra dia nifotitra namely ny mpanenjika kosa.", "21": "Fa rehefa hitan'i Josoa sy ny Isiraely rehetra fa efa azon'ny otrika ny tanana, ka niakatra ny setroky ny tanana, dia nifotitra izy ka namely ny mponina tao Ay.", "22": "Ary ireo tao an-tanana nivoaka hamely azy, ka dia latsaka teo afovoan'ny Isiraely ny olona, fa ny Isiraely sasany teo an-daniny iray, ary ny sasany teo an-daniny iray koa; dia nifandafaran'ny Isiraely teo izy, ka tsy nasiany niangana na dia iray akory aza.", "23": "Ary ny mpanjakan'i Ay nataony sambo-belona ka nentiny teo amin'i Josoa.", "24": "Ary rehefa namono ny mponina rehetra tao Ay tany an-tsaha ny Isiraely, dia tany amin'ny efitra nanenjehany azy, ka lavo tamin'ny lelan-tsabatra avokoa izy rehetra mandra-pahalany ritrany, dia niverina tany Ay ny Isiraely rehetra ka namely azy tamin'ny lelan-tsabatra.", "25": "Ary izay rehetra maty tamin'izany andro izany, na lehilahy na vehivavy, dia roa arivo amby iray alina, dia ny mponina rehetra tao Ay.", "26": "Ary Josoa tsy nampihemotra ny tanany izay nanondro tamin'ny lefona mandra-pandringana ny mponina rehetra tao Ay.[Heb. herema]", "27": "Nefa ny biby fiompy mbamin'ny fananana rehetra tao amin'izany tanana izany dia nalain'ny Isiraely ho babony ihany, araka ny tenin'i Jehovah izay nandidiany an'i Josoa.", "28": "Ary Ay dia nodoran'i Josoa ka nofoanany ho tananaolo mandrakizay, dia toy izany mandraka androany izy.", "29": "Ary ny mpanjakan'i Ay nahantony tamin'ny hazo mandra-paharivan'ny andro; ary rehefa tokony ho maty masoandro, dia nasain'i Josoa nesorina tamin'ny hazo ny fatiny ka nariana teo anoloan'ny vavahadin'ny tanana ary notsindriany antontam-bato avo mandraka androany.", "30": "Ary tamin'izany Josoa dia nanorina alitara tao an-tendrombohitra Ebala ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely,", "31": "araka izay nandidian'i Mosesy mpanompon'i Jehovah, ny Zanak'Isiraely, dia araka ny voasoratra eo amin'ny bokin'ny lalan'i Mosesy dia alitara vato tsy voavoatra, izay tsy nopehim-by; ary dia nanatitra fanatitra dorana teo amboniny ho an'i Jehovah izy sady namono zavatra hatao fanati-pihavanana.", "32": "Dia nosoratany teo amin'ny vato ny dikan'ny lalan'i Mosesy, izay efa nosoratany teo anatrehan'ny Zanak'Isiraely.", "33": "Ary ny Isiraely rehetra sy ny loholony sy ny mpifehy azy ary ny mpitsara azy dia nitsangana teo an-daniny roa amin'ny fiara, teo anatrehan'ny Levita mpisorona, izay nitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, na olona hafa firenena, na Isiraely: ny antsasany nanandrify ny tendrombohitra Gerizima, ary ny antsasany nanandrify ny tendrombohitra Ebala, araka izay efa nandidian'i Mosesy mpanompon'i Jehovah fahiny, mba hitso-drano ny olona Isiraely.", "34": "Ary rehefa afaka izany, dia namaky ny tenin'ny lalana rehetra izy, dia ny fitahiana sy ny fanozonana, araka izay rehetra voasoratra eo amin'ny bokin'ny lalana.", "35": "Tsy nisy teny tamin'izay rehetra nandidian'i Mosesy, izay tsy novakin'i Josoa teo anatrehan'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, mbamin'ny vehivavy sy ny ankizy madinika ary ny vahiny izay teo aminy." }, "9": { "1": "Ary rehefa nandre izany ny mpanjaka rehetra izay ety; an-dafin'i Jordana, na ny tany amin'ny tany havoana, na ny tany amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka, na ny tany amoron'ny Ranomasina Lehibe tandrifin'i Libanona, dia ny Hetita, ny Amorita, ny Kananita, ny Perizita, ny Hivita ary ny Jebosita, [Heb. Sefela]", "2": "dia niray hina niangona hiady amin'i Josoa sy ny Isiraely izy.", "3": "Ary ny mponina tao Gibeona nahare izay nanaovan'i Josoa an'i Jeriko sy Ay,", "4": "dia nanao hafetsena kosa izy ka nandeha, ary nody ho iraka ka nitondra lasaka tonta nasampiny teo amin'ny borikiny sy siny hoditra tonta sady triatra ka nofehipehezina nasiany divay, [Na: nitondra vatsy]", "5": "ary kapa tonta sady nitampintampina teo amin'ny tongony, ary lamba tonta notafiny; ary efa maina sy bobongolo ny mofo rehetra izay vatsiny. [Na. torotoro]", "6": "Dia nankany amin'i Josoa teo an-toby tany Gilgala izy ireo ka niteny taminy sy tamin'ny Isiraelita nanao hoe: Avy any an-tany lavitra izahay; koa ankehitriny mba manaova fanekena aminay ianareo.", "7": "Ary hoy ny Isiraelita tamin'ireo Hivita ireo: Angamba mponina ato aminay ihany ianareo, ka hataonay ahoana no fanao fanekena aminareo?", "8": "Fa hoy izy tamin'i Josoa: Mpanomponao izahay. Ary hoy Josoa taminy: Iza moa ianareo, ary avy aiza ?", "9": "Dia hoy izy ireo taminy: Avy tany an-tany lavitra indrindra izahay mpanomponao noho ny anaran'i Jehovah Andriamanitrao; fa efa renay ny lazany sy izay rehetra nataony tany Egypta", "10": "ary izay rehetra nataony tamin'ny mpanjaka roa tamin'ny Amorita, izay tany an-dafin'i Jordana, dia Sihona, mpanjakan'i Hesbona, sy Oga, mpanjakan'i Basana, izay tany Astarta.", "11": "Dia niteny taminay ny loholonay sy ny mponina rehetra amin'ny taninay ka nanao hoe: Mitondra vatsy eny an-tananareo ho any amin'ny haleha, dia mandehana hitsena azy, ka lazao aminy hoe: Mpanomponao izahay; koa ankehitriny manaova fanekena aminay.", "12": "Itony mofonay itony dia vao mafana no nalainay tany an-tranonay ho vatsy tamin'ny andro nivoahanay hankaty; aminareo; fa ankehitriny, indro, efa maina sy bobongolo izy; [Na: torotoro]", "13": "ary vaovao ireto siny hoditra misy divay ireto izay nofenoinay; fa, indreo, efa triatra izy; ary efa rovitra ireto lambanay sy kapanay ireto noho ny halavitry ny naleha.", "14": "Ary nangalan'ny olona ny vatsin'ireo, nefa tsy nanontany tamin'ny vavan'i Jehovah izy.", "15": "Ary Josoa dia nanao fihavanana taminy ka nanao fanekena taminy mba tsy hamono azy; ary ny lohan'ny fiangonana koa dia nianiana taminy.", "16": "Ary nony efa afaka hateloana no nanaovany fanekena taminy, dia reny fa mifanakaiky aminy ihany ireo sady mitoetra eo aminy.", "17": "Dia niainga ny Zanak'Isiraely ka tonga tany an-tananan'ireo tamin'ny andro fahatelo. Ary Gibeona sy Kefira sy Berota ary Kiriata-jearima no tananany.", "18": "Fa tsy namely azy ny Zanak'Isiraely, satria Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no efa nianianan'ny lohan'ny fiangonana taminy. Dia nimonomonona tamin'ireo loholona ny fiangonana rehetra.", "19": "Fa hoy ny loholona rehetra tamin'ny fiangonana rehetra: Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no efa nianiananay taminy; koa ankehitriny tsy mahazo mamely azy isika.", "20": "Fa izao no hataontsika aminy: Havelantsika ho velona ihany izy, fandrao hisy fahatezerana mahatratra antsika noho ny fianianana nataontsika taminy.", "21": "Ary hoy koa ny loholona taminy: Aoka ihany ho velona izy. Dia tonga mpikapa hazo sy mpantsaka rano ho an'ny fiangonana rehetra izy, araka ny teny nataon'ny loholona taminy.", "22": "Dia niantso azy ireo Josoa ka nanao taminy hoe: Nahoana no namitaka anay ianareo ka nanao hoe: Lavitra anareo indrindra izahay, kanjo eto aminay ihany no onenanareo?", "23": "Koa ankehitriny voaozona ianareo, ary tsy hisy ho afaka, fa ho andevo sy ho mpikapa hazo ary ho mpantsaka rano ho an'ny tranon'Andriamanitro ianareo.", "24": "Dia namaly an'i Josoa izy ireo ka nanao hoe: Satria nambara tokoa taminay mpanomponao fa Jehovah Andriamanitrao efa nandidy an'i Mosesy mpanompony hanome anareo ny tany rehetra sy handringana ny mponina rehetra amin'ny tany eo anoloanareo, ary natahotra ny ho faty izahay noho ny aminareo, ka dia nanao izany zavatra izany;", "25": "koa ankehitriny, indreto, eto an-tananao izahay, koa araka izay ataonao ho tsara sy marina hatao aminay dia ataovy.", "26": "Dia nanao izany taminy izy ka namonjy azy tamin'ny tanan'ny Zanak'Isiraely, mba tsy hahafaty azy ireo.", "27": "Dia natolotr'i Josoa tamin'izany andro izany ireo ho mpikapa hazo sy ho mpantsaka rano ho an'ny fiangonana sy ho an'ny alitaran'i Jehovah mandraka androany eo amin'ny tany izay hofidiny." }, "10": { "1": "Ary rehefa ren'i Adoni-zedeka, mpanjakan'i Jerosalema, fa afak'i Josoa Ay ka noravany (fa araka izay nataony tamin'i Jeriko sy ny mpanjakany no nataony tamin'Ay sy ny mpanjakany), sady nanao fihavanana tamin'ny Isiraely ny mponina tany Gibeona ka tomoetra eo aminy, [Heb. nataony herema]", "2": "dia raiki-tahotra indrindra izy, satria tanana lehibe Gibeona tahaka ny anankiray amin'ny tanana misy andriana, sady lehibe noho Ay, ary nahery ny lehilahy rehetra teo.", "3": "Dia naniraka olona Adoni-zedeka, mpanjakan'i Jerosalema, ho any amin'i Hohama mpanjakan'i Hebrona, sy Pirama, mpanjakan'i Jarmota, sy Jafia, mpanjakan'i Lakisy, ary Debira, mpanjakan'i Eglona, ka nanao hoe:", "4": "Miakara aty; amiko, ka manampia ahy, hamelezantsika an'i Gibeona; fa efa nanao fihavanana tamin'i Josoa sy ny Zanak'Isiraely izy.", "5": "Dia niangona ireo mpanjaka dimy tamin'ny Amorita ireo, dia ny mpanjakan'i Jerosalema, ny mpanjakan'i Hebrona, ny mpanjakan'i Jarmota, ny mpanjakan'i Lakisy, ary ny mpanjakan'i Eglona, ka niakatra izy sy ny miaramilany rehetra, ary nitoby tandrifin'i Gibeona ka namely azy.", "6": "Ary ny mponina tao Gibeona dia naniraka olona ho any amin'i Josoa teo an-toby tany Gilgala hanao hoe: Aza mampiketraka ny tananao tsy hamonjy ny mpanomponao; miakara faingana ho aty; aminay, ary vonjeo sy ampio izahay; fa miangona hamely anay ny mpanjaka rehetra amin'ny Amorita izay monina any amin'ny tany havoana.", "7": "Dia niakatra niala tany Gilgala Josoa sy ny mpanafika rehetra teo aminy, dia ny lehilahy mahery rehetra.", "8": "Ary hoy Jehovah tamin'i Josoa: Aza matahotra azy, fa efa natolotra eo an-tananao izy, ka tsy hisy hahajanona eo anoloanao izy na dia iray akory aza.", "9": "Ary tonga tampoka tamin'ireo Josoa; fa nanao lava alina-avy tany Gilgala izy.", "10": "Ary Jehovah nampifanaritaka ireo teo anoloan'ny Isiraely; ary namely ireo tany Gibeona izy ka nahafaty maro be, sady nanenjika azy tamin'ny fiakarana mankany Beti-horona izy ka namely azy hatrany Azeka ka hatrany Makeda.", "11": "Ary nony nandositra teo anoloan'ny Isiraely teo am-pidinan'i Beti-horona izy, Jehovah dia nandatsaka havandra vaventy taminy avy tany an-danitra hatrany Azeka ka nahafaty azy; ary be lavitra ny matin'ny havandra noho izay novonoin'ny Zanak'Isiraely tamin'ny sabatra.", "12": "Ary tamin'izany Josoa dia niteny tamin'i Jehovah tamin'ny andro nanoloran'i Jehovah ny Amorita teo anoloan'ny Zanak'Isiraely ka nanao teo imason'ny Zanak'Isiraely hoe: Ry masoandro, mijanona eo ambonin'i Gibeona; Ary, ianao kosa, ry volana, any an-dohasahan'i Aialona.[Heb. mangina]", "13": "Dia nijanona ny masoandro, ary nijanona koa ny volana, Mandra-pamalin'ny olona ny fahavalony. Tsy efa voasoratra eo amin'ny Bokin'i Jasara va izany? Dia nijanona teo afovoan'ny lanitra ny masoandro ka tsy nandroso hilentika tokony ho indray andro maninjitra. [Heb. mangina][Jasara = Ilay mahitsy]", "14": "Ary tsy nisy andro tahaka izany, na tany alohany, na tato aoriany, izay nihainoan'i Jehovah ny feon'olona; fa Jehovah niady ho an'ny Isiraely.", "15": "Ary Josoa sy ny Isiraely rehetra dia niverina nankany an-toby tany Gilgala.", "16": "Ary nandositra ny mpanjaka dimy ka niery tao anatin'ilay zohy any Makeda.", "17": "Dia nolazaina tamin'i Josoa hoe: Indreo, miery ao anatin'ilay zohy any Makeda ny mpanjaka dimy.", "18": "Ary hoy Josoa: Manakodiava vato lehibe hatampina ny vavan'ny zohy, ary asio olona eo anoloany hiambina azy;", "19": "fa ianareo aza mijanona, fa manenjeha ny fahavalonareo, ka mameleza ny vodi-lalana; aza avela ho tafiditra any an-tananany ireny, fa efa natolotr'i Jehovah Andriamanitrareo eo an-tananareo.", "20": "Ary rehefa voaringan'i Josoa sy ny Zanak'Isiraely mihitsy ireny mandra-pahalany ritrany, ka izay afa-nandositra no lasa niditra tany amin'ny tanana mimanda,", "21": "dia niverina soa aman-tsara ho any amin'i Josoa teo an-toby tany Makeda ny vahoaka rehetra; ary tsy nisy sahy nanao vava ratsy tamin'ny Zanak'Isiraely intsony.[Heb. nandranitra ny lelany]", "22": "Dia hoy Josoa: Sokafy ny vavan'ny zohy, ka avoahy ao an-johy ireo mpanjaka dimy ireo hankaty; amiko.", "23": "Dia nataon'ny olona izany, ka namoaka ireo mpanjaka dimy ireo avy tao an-johy izy ho eo aminy, dia ny mpanjakan'i Jerosalema, ny mpanjakan'i Hebrona, ny mpanjakan'i Jarmota, ny mpanjakan'i Lakisy, ary ny mpanjakan'i Eglona.", "24": "Ary rehefa navoaka ireo mpanjaka ireo ka nentina ho eo amin'i Josoa, dia niantso ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely Josoa ka nanao tamin'ny mpitarika ny mpiady izay teo aminy hoe: Manatona, ka ataovy eo amin'ny vozon'ireto mpanjaka ireto ny tongotrareo. Dia nanatona izy ka nanao ny tongony teo amin'ny vozon'ireo.", "25": "Ary hoy Josoa taminy: Aza matahotra na mivadi-po ; mahereza sy matanjaha; fa toy izao no hataon'i Jehovah amin'ny fahavalonareo rehetra izay iadianareo.", "26": "Ary rehefa afaka izany, dia namely ireo Josoa ka nahafaty azy, ary nahantony tamin'ny hazo dimy ny fatiny; ka dia nihantona tamin'ny hazo izy mandra-paharivan'ny andro.", "27": "Ary tamin'ny nilentehan'ny masoandro dia nasain'i Josoa nesorina tamin'ny hazo izy ireo ka nariana tao anatin'ilay zohy niereny, ary nasiana vato lehibe teo amin'ny vavan'ny zohy, ka mbola ao izany mandraka androany.", "28": "Ary Makeda dia afak'i Josoa tamin'izany andro izany, ka nasiany tamin'ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany; ary ny olona rehetra tao dia naringany avokoa ka tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; ary tahaka izay efa nataony tamin'ny mpanjakan'i Jeriko, no nataony tamin'ny mpanjakan'i Makeda koa.[Heb. nataony herema; izahao Lev. XXII. 28]", "29": "Ary Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy dia niala tany Makeda ka nankany Libna ary namely azy;", "30": "dia natolotr'i Jehovah teo an-tanan'ny Isiraely koa izy sy ny mpanjakany, ka nasiany tamin'ny lelan-tsabatra izy mbamin'ny olona rehetra tao; tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; ary tahaka izay efa nataony tamin'ny mpanjakan'i Jeriko no nataony tamin'ny mpanjakany koa.", "31": "Dia niala tany Libna Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ka nankany Lakisy, dia nitoby tandrifiny ka namely azy.", "32": "Dia natolotr'i Jehovah teo an-tanan'ny Isiraely koa Lakisy, ka afany tamin'ny andro faharoa izy; dia nasiany tamin'ny lelan-tsabatra izy sy ny olona rehetra tao, tahaka izay rehetra efa nataony tamin'i Libna koa.", "33": "Dia niakatra Horama, mpanjakan'i Gazera, hamonjy an'i Lakisy; dia nasian'i Josoa izy sy ny vahoakany mandra-paha-tsy nisy niangana.", "34": "Dia niala tany Lakisy Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ka nankany Eglona, dia nitoby tandrifiny ka namely azy;", "35": "dia afany tamin'izany andro izany koa izy ka nasiany tamin'ny lelan-tsabatra; ary ny olona rehetra tao dia naringany tamin'izany andro izany, tahaka izay rehetra efa nataony tamin'i Lakisy.[Heb. nataony herema; izahao Lev. XXII. 28]", "36": "Dia niakatra niala tany Eglona Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ka nankany Hebrona ary namely azy;", "37": "dia afany koa izy, ka nasiany tamin'ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany sy ny tananany rehetra ary ny olona rehetra tao; tsy nasiany niangana na dia iray akory aza, tahaka izay rehetra efa nataony tamin'i Eglona; fa naringany avokoa izy sy ny olona rehetra tao.[Heb. nataony herema; izahao Lev. XXII. 28]", "38": "Dia niverina Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ka nankany Debira ary namely azy;", "39": "dia azony koa izy sy ny mpanjakany ary ny tananany rehetra; ary nasiany tamin'ny lelan-tsabatra Izy, ka naringany avokoa ny olona rehetra tao; fa tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; tahaka izay efa nataony tamin'i Hebrona, dia toy izany koa no nataony tamin'i Debira sy ny mpanjakany, ary tahaka izay efa nataony tamin'i Libna sy ny mpanjakany koa.[Heb. nataony herema; izahao Lev. XXII. 28]", "40": "Dia nasian'i Josoa ny tany rehetra sy ny mpanjakany rehetra, dia ny tany havoana sy ny tany atsimo sy ny tany lemaka amoron-tsiraka ary ny any ambodin'ny tendrombohitra; tsy nasiany niangana ireny, fa naringany avokoa ny olo-miaina rehetra, araka ny didin'i Jehovah. Andriamanitry ny Isiraely, [Heb. Sefela]", "41": "Dia nasian'i Josoa izy hatrany Kadesi-barnea ka hatrany Gaza, ary ny tany Gosena rehetra hatrany Gibeona.", "42": "Ary ireo mpanjaka rehetra ireo sy ny taniny dia azon'i Josoa indray mandeha, satria Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no niady ho an'ny Isiraely.", "43": "Dia niverina Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ho any an-toby tany Gilgala." }, "11": { "1": "Ary rehefa nahare Jabina, mpanjakan'i Hazora, dia naniraka tany amin'