mg-bibles
Version:
A package for accessing Bible verses in Malagasy (MG), Diem, King James (KJV), and Louis Segond (APEE) versions
454 lines • 126 kB
JSON
{
"1": {
"1": "Nisy lehilahy tany amin'ny tany Oza Joba no anarany; ary marina sy mahitsy izany lehilahy izany sady natahotra an'Andriamanitra ka nifady ny ratsy.",
"2": "Ary niteraka fito lahy sy vavy telo izy.",
"3": "Ary ny fananany dia ondry aman'osy fito arivo sy rameva telo arivo sy omby arivo sy borikivavy diman-jato ary mpanompo maro be; ka dia nanan-karena be mihoatra noho ny zanaky ny atsinanana rehetra izany lehilahy izany.",
"4": "Ary fanaon'ny zananilahy ny nandeha sy nanao fanasana isaky ny an'androny avy isan-tranony; dia naniraka naka ny anabaviny telo mirahavavy izy hiara-mihinana sy misotro aminy.",
"5": "Ary isaky ny tapitra nitsingerina ireo andro fanasana ireo dia naniraka Joba ka nanamasina ireny ary nifoha maraina koa izy ka nanatitra fanatitra dorana araka ny isan'izy rehetra; fa hoy Joba: Fandrao efa nanota ny zanako ka nanda an'Andriamanitra tao am-pony. Izany no nataon'i Joba mandrakariva.",
"6": "Ary tamin'ny indray andro nony avy ireo zanak'Andriamanitra hiseho teo anatrehan'i Jehovah dia mba tonga teo koa Satana tafaharo taminy.",
"7": "Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Avy taiza ianao? Dia namaly an'i Jehovah Satana ka nanao hoe: Avy nizahazaha teny amin'ny tany aho ka nivezivezy teny.",
"8": "Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Efa nandinika an'i Joba mpanompoko va ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin'ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an'Andriamanitra ka mifady ny ratsy.",
"9": "Ary Satana dia namaly an'i Jehovah ka nanao hoe: Moa tsy fanantenan-javatra va no atahoran'i Joba an'Andriamanitra?",
"10": "Tsy Hianao va no nanao fefy manodidina azy sy manodidina ny tranony ary manodidina izay ananany rehetra? Notahinao ny asan'ny tanany ka manenika ny tany ny omby aman'ondriny.",
"11": "Fa ahinjiro ange ny tananao ka tendreo izay ananany rehetra raha tsy handa Anao eo imasonao aza izy e![Na: hahafoy Anao mihitsy]",
"12": "Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Indro eo an-tananao izay ananany rehetra; fa ny tenany ihany no aza aninjiranao ny tananao. Dia nivoaka Satana niala teo anatrehan'i Jehovah.",
"13": "Ary tamin'ny indray andro dia nihinana sy nisotro divay teo an-tranon'ny zokiny lahimatoa ny zananilahy sy ny zananivavy;",
"14": "ary nisy iraka tonga tany amin'i Joba ka nanao hoe: Ny omby niasa, ary ny borikivavy nandrasana teo anilany,",
"15": "dia namely azy tampoka ny Sabeana ka namabo azy, ary ny ankizilahy dia nasiany tamin'ny lelan-tsabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.",
"16": "Raha mbola niteny izy, dia nisy anankiray koa tonga ka nanao hoe: Nisy afon'Andriamanitra latsaka avy tany an-danitra ary nandoro ny ondry aman'osy sy ny ankizilahy ka nandevona azy, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.",
"17": "Raha mbola niteny izy, dia nisy anankiray koa tonga ka nanao hoe: Ny Kaldeana nanao telo toko, dia niroatany ny rameva ka nobaboiny, ary ny ankizilahy dia nasiany tamin'ny lelan-tsabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.",
"18": "Raha mbola niteny izy, dia nisy anankiray koa tonga ka nanao hoe: Ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy dia nihinana sy nisotro divay tao an-tranon'ny zokiny lahimatoa;",
"19": "ary, indro, nisy rivotra mahery avy tany an-efitra ka namely ny zoron-trano efatra, dia nianjera tamin'ny zatovo ny trano, ka maty izy rehetra, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.",
"20": "Dia nitsangana Joba ka nandriatra ny lambany, ary nanaratra ny lohany, dia niapoka tamin'ny tany ka niankohoka",
"21": "sady nanao hoe: Nitanjaka no nivoahako avy tany an-kibon'ineny, ary mitanjaka no hiverenako any; Jehovah no nanome, ary Jehovah no nanaisotra; isaorana anie ny anaran'i Jehovah",
"22": "Tamin'izany rehetra izany dia tsy nanota Joba, na nanome tsiny an'Andriamanitra."
},
"2": {
"1": "Ary tamin'ny indray andro koa dia avy ireo zanak'Andriamanitra hiseho teo anatrehan'i Jehovah, ka dia mba tonga teo koa Satana tafaharo taminy hiseho teo anatrehan'i Jehovah.",
"2": "Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Avy taiza ianao? Ary Satana dia namaly an'i Jehovah ka nanao hoe: Avy nizahazaha teny amin'ny tany aho ka nivezivezy teny.",
"3": "Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Efa nandinika an'i Joba mpanompoko va ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin'ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an'Andriamanitra ka mifady ny ratsy? Ary mbola mitana mafy ny fahamarinany ihany izy, na dia nanesika Ahy hamongotra azy foana aza ianao.",
"4": "Ary Satana dia namaly an'i Jehovah ka nanao hoe: Hoditra fefin'ny hoditra, eny, izay rehetra ananan'ny olona dia homeny ho-fefin'ny ainy.",
"5": "Fa ahinjiro ange ny tananao, ka tendreo ny taolany sy ny nofony raha tsy handa Anao eo Imasonao aza Izy e![Na: hahafoy Anao mihitsy]",
"6": "Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Indro, eo an-tananao izy; ny ainy tokana ihany no aza asiana.",
"7": "Dia nivoaka Satana avy teo anatrehan'i Jehovah ka namely vay ratsy an'i Joba hatramin'ny faladiany ka hatramin'ny tampon-dohany.",
"8": "Dia naka tavim-bilany hihaorany izy, raha nipetraka teo an-davenona.",
"9": "Ary hoy ny vadiny taminy: Mbola mitana ny fahamarinanao ihany va ianao? Mahafoiza an'Andriamanitra ianao, dia aoka ho faty.",
"10": "Fa hoy izy taminy: Tahaka ny tenin'ny anankiray amin'ny vehivavy adala ny teninao. Moa ny soa ihany va no horaisintsika avy amin'Andriamanitra, fa tsy ny ratsy koa? Tamin'izany rehetra izany dia tsy nanota tamin'ny molony Joba.",
"11": "Ary rehefa ren'ny sakaizan'i Joba telo lahy ny fahoriana rehetra izay nanjo azy, dia samy niainga avy tany amin'ny fonenany avy izy dia Elifaza Temanita sy Bildada Sohita ary Zofara Namatita ary nifamotoana izy mba handeha hitsapa alahelo sy hampionona azy.",
"12": "Ary nanopy ny masony teny lavidavitra eny izy telo lahy ka tsy nahafantatra azy, dia nanandratra ny feony izy ka nitomany; ary samy nandriatra ny lambany avy koa izy rehetra, dia nanopy vovoka ho amin'ny lanitra hiraraka amin'ny lohany.",
"13": "Ary niara-nipetraka teo aminy tamin'ny tany hafitoan'andro sy hafitoan'alina izy, nefa tsy nisy niteny taminy na dia indraim-bava akory aza, satria hitany fa mafy loatra ny fahoriany."
},
"3": {
"1": "Rehefa afaka izany, dia niloa-bava Joba ka nanozona ny androny",
"2": "nanao hoe:",
"3": "Foana anie ny andro nahaterahako sy ny alina izay nanao hoe: Misy zazalahy vao torontoronina!",
"4": "Izany andro izany dia aoka ho maizina, ary aoka tsy hitady azy Andriamanitra any ambony; ary aoka tsy hisy mazava hamirapiratra aminy;",
"5": "Aoka ny aizina sy ny aloky ny fahafatesana hahalasa azy indray; Aoka ny rahona hitatao eo amboniny; Aoka izay zavatra mahamaizina ny andro hampahatsiravina azy.[Na:handoto azy]",
"6": "Izany alina izany aoka ny aizim-pito hisambotra azy; Aoka tsy hiara-mifaly amin'ny andron'ny taona izy. Ary tsy ho tonga amin'ny isan'ny volana;",
"7": "Indro izany alina izany aoka ho momba izy; Aoka tsy ho velona ao ny hoby;",
"8": "Aoka hanozona azy ny mpanozona andro, Izay mahay mamoha ny dragona;",
"9": "Aoka ho maizina ny kintan'ny marainany; Aoka hiandry ny mazava izy, nefa tsy hisy, ary aoka tsy ho faly mahita ny hodimason'ny maraina izy,",
"10": "Satria tsy nanidy ny varavaran'ny kibon'ineny izy ka tsy nanafina fahoriana tamin'ny masoko.",
"11": "Nahoana re aho no tsy maty hatrany am-bohoka e, ary tsy niala aina, fony vao nivoaka avy tany an-kibo e?",
"12": "Nahoana no nisy lohalika niandry ahy? Ary nahoana no nisy nono hinonoako?",
"13": "Fa raha tsy izany, dia efa nandry aho toy izay ka niadana, eny, natory aho ka afa-tsasatra,",
"14": "Teo amin'ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsaina avy amin'ny tany, izay nanao ireny tanana efa rava, [Na: namboatra][Na: fasana lehibe]",
"15": "Na teo amin'ny andriandahy izay manana volamena sady mameno volafotsy ny tranony;",
"16": "Na efa tsy ary toy ny zaza tsy tonga volana aho ka nafenina, dia toy ny zaza izay tsy nahita ny mazava akory.",
"17": "Any no itsaharan'ny ratsy fanahy tsy hampitebiteby, ary any ny reraka no afa-tsasatra;",
"18": "Miara-miadana avokoa ny mpifatotra; Tsy mandre ny feon'ny mpampiasa izy.",
"19": "Samy any ny kely sy ny lehibe, Ary ny mpanompo dia afaka amin'ny tompony.",
"20": "Nahoana no fahazavana no mba omena ny reraka, ary fiainana ho an'izay latsaka amin'ny fangidiana?",
"21": "Izay miandry fahafatesana, nefa tsy avy izy, sady mitady azy mihoatra noho ny fitady harena nafenina:",
"22": "Izay faly indrindra sady ravoravo, raha mahita ny fasana,",
"23": "Dia olona izay mandeha ao amin'ny maizina sady voafefin'Andriamanitra manodidina.",
"24": "Fa mialoha ny haninkaniko ny fitolokoko, ary migororoana toy ny rano ny fidradradradrako;",
"25": "Fa Izay atahorako no mahazo ahy, ary izay angovitako no manjo ahy.",
"26": "Tsy mbola nahita fiadanana na fitsaharana na fakana aina akory aza aho, dia tonga indray ny tebiteby."
},
"4": {
"1": "Dia namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe:",
"2": "Raha misy sahy miteny aminao, dia ho sosotra va ianao? Fa raha ny mamehy vava kosa, iza moa no mahazaka izany?",
"3": "Indro, efa nananatra ny maro ianao. Ary ny tanana miraviravy efa nampaherezinao;",
"4": "Ny teninao efa nanohana izay efa saiky lavo, ary ny lohalika malemy efa nampahatanjahinao",
"5": "Nefa ankehitriny mba manjo anao kosa izany, ka dia kivy ianao, Mihatra aminao izany, ka raiki-tahotra ianao",
"6": "Tsy ny fivavahanao va no tokinao? Ary tsy fanantenanao va ny fahitsian'ny lalanao? [Heb. fahatahoranao]",
"7": "Mas�na ianao, tsarovy fa iza moa no very tsy nanan-tsiny? Ary taiza no nisy olo-mahitsy naringana?",
"8": "Araka izay efa hitako, dia izay miasa heloka sy mamafy fahoriana no mijinja izany.",
"9": "Ny fofonain'Andriamanitra no andringanana azy. Eny, ny fofonain'ny fahatezerany no mahalevona azy.",
"10": "Ny feon'ny olona, eny, ny feon'ny liona masiaka, ary ny nifin'ny liona tanora dia ombotana;",
"11": "Mirenireny ny lion-dahy noho ny tsi-fahitany remby, ary miely ny zanaky ny liom-bavy.",
"12": "Nisy teny tonga tamiko mangingina, ary ny sofiko nahare siosio avy taminy,",
"13": "Tamin'ny eritreritra avy amin'ny tsindrimandry alina, raha sondrian-tory ny olona,",
"14": "Dia azon-tahotra sy hovotra aho, ka nampihorohoro ny taolako rehetra izany.",
"15": "Ary nisy fanahy nandalo teo anatrehako ka nampitsangam-bolo ny tenako.",
"16": "Nijanona izy, nefa tsy nahafantatra ny tarehiny aho; Nisy endri-javatra teo anoloan'ny masoko; Nisy fanginana, dia nandre feo aho nanao hoe:",
"17": "Ho marina noho Andriamanitra va ny zanak'olombelona? Ho madio noho ny Mpanao azy va ny olona?[Na: eo anatrehan']",
"18": "Indro, tsy matoky ireo mpanompony aza Izy, eny, ny anjeliny aza ataony ho tsy tonga ohatra.",
"19": "Koa mainka izay mitoetra ao an-trano tany, sady avy tamin'ny vovoka no nihaviany, ary mora poritra noho ny kalalao izy;[Heb. ao amin'ny vovoka fiorenany]",
"20": "Indray andro monja dia montsana izy; Tsy misy misaina azy, na dia levona mandrakizay aza izy.",
"21": "Tsy voaongotra va ny kofehin-dainy ao aminy? Maty izy, nefa tsy mbola nanam-pahendrena."
},
"5": {
"1": "Miantsoa ange! moa misy hamaly anao va? Ary iza amin'ireo masina no hotodihinao?",
"2": "Fa ny adala dia vonoin'ny fahasosorana, ary ny kely saina dia matin'ny fialonana.",
"3": "Izaho nahita olona adala mamaka, nefa vetivety Indray dia tsy maintsy nanozona ny fonenany aho;",
"4": "Lavitra ny famonjena ny zanany Ka torotoro eo am-bavahady, nefa tsy manan-kamonjy;",
"5": "Ny vokatry ny taniny dia lanin'ny noana, eny, alainy na dia voafefy tsilo aza; ary ny fandrika mitanatana vava hahazo ny fananany",
"6": "Fa tsy mivoaka avy amin'ny vovoka ny alahelo, ary tsy mitrebona avy amin'ny tany ny fahoriana,",
"7": "Nefa teraka ho amin'ny fahoriana ny olombelona, dia tahaka ny fanidin'ny kilalaon'afo miakatra",
"8": "Fa raha toa ahy kosa dia hitady an'Andriamanitra aho, ary Andriamanitra ihany no hotolorako ny teniko,",
"9": "Dia Izay manao zava-dehibe tsy takatry ny saina sy zava-mahagaga tsy hita isa,",
"10": "Dia Izay mampilatsaka ranonorana ety; ambonin'ny tany ary mampandeha rano eny amin'ny saha,",
"11": "Ka apetrany amin'ny avo Izay ambany, ary asandrany ho amin'ny fahafinaretana ny miory,",
"12": "Dia Izay mahafoana ny hevitry ny fetsy, ka tsy hahefan'ny tanany na inona na inona hahasoa ny tenany;",
"13": "Ny fahafetsen'ny hendry ihany no entiny misambotra azy, ary ny saina ataon'ny mpiolakolaka dia rava;",
"14": "Na dia amin'ny antoandro aza dia tafatsarapaka ao amin'ny maizina ireny ka miraparapa amin'ny mitataovovonana tahaka ny amin'ny alina;",
"15": "Fa vonjeny kosa ny malahelo tsy ho voan'ny sabatry ny vavany; Eny, vonjeny tsy ho azon'ny tanan'ny mahery izy.",
"16": "Dia misy fanantenana ho an'ny reraka; fa ny faharatsiana kosa mihombom-bava",
"17": "Indro, sambatra ny zanak'olombelona izay anarin'Andriamanitra, koa aza atao ho zavatra kely ny famaizan'ny Tsitoha;",
"18": "Fa sady mandratra Izy no mamehy; Manorotoro Izy, ary ny tanany ihany no manasitrana.",
"19": "Amin'ny fahoriana enina dia hamonjy anao Izy; Eny, amin'ny fito aza dia tsy hisy loza hihatra aminao.",
"20": "Raha avy ny mosary, dia hiaro anao amin'ny fahafatesana Izy; Ary raha avy ny ady, dia hiaro anao tsy ho voan'ny sabatra Izy;",
"21": "Hampiereny tsy ho voan'ny kapo-bava ianao, ary tsy hatahotra, raha avy ny fandringanana;",
"22": "Ny fandringanana sy ny mosary dia hihomehezanao; ary tsy hatahoranao ny bibi-dia;",
"23": "Fa vita fanekena amin'ny vato any an-tsaha aza ianao; Ary ny bibi-dia hihavana aminao;",
"24": "Ary ho hitanao fa ny fiadanana no lainao; Ary raha mizaha ny kijanao ianao, dia ho hitanao fa tsy misy very ny ao;",
"25": "Ary ho hitanao koa fa maro ny zanakao, ary ny terakao ho tahaka ny ahitra amin'ny tany;",
"26": "Haharitra ianao ambara-piditrao any am-pasana, raha mbola henjana, dia tahaka ny amboaram-bary akarina amin'ny fotoana.",
"27": "Izany ary no izy, fa efa nandinika azy izahay; Hevero ary izany, ka fantaro tsara."
},
"6": {
"1": "Dia namaly Joba ka nanao hoe:",
"2": "Enga anie ka holanjaina tokoa ny fahasosorako, ka hampifandaniaina amin'ny mizana izy sy ny fahoriako!",
"3": "Fa ankehitriny mavesatra noho ny fasika any an-dranomasina ny fahoriako, koa dia nirediredy aho.",
"4": "Fa ny zana-tsipiky ny Tsitoha mitsatoka amiko, ka mifoka ny poizina avy aminy ny fanahiko; Ary ny fampitahorana Andriamanitra milahatra hamely ahy.",
"5": "Maneno va ny boriki-dia, raha eo amin'ny vilona? Na mimama va ny omby, raha eo amin'ny fihinany?",
"6": "Azo hanina va ny matsatso, raha tsy asian-tsira? Na mba misy tsirony va ny tafotsin'atody? [Na: ranon-tsikobonkobon-danitra]",
"7": "Ny zavatra izay nolaviko tsy hotendrena, dia ireny no tsy maintsy haniko, na dia maharikoriko ahy aza.",
"8": "Enga anie ka ho azoko izay angatahiko, ary homen'Andriamanitra ahy anie izay iriko!",
"9": "Ka ho sitrak'Andriamanitra anie ny hanorotoro ahy! Eny, halefany anie ny tanany ka hahamaito ny aiko,",
"10": "Dia hahita fiononana amin'izany aho ka hiravoravo na dia amin'ny fangirifiriana tsy mifaditrovana aza, satria tsy nanda ny tenin'ny Iray Masina aho.",
"11": "Inona moa ny heriko, no hanantena aho? Ary hanao ahoana moa ny farako, no hanindry fo aho? [Na: hanalava ny androko]",
"12": "Herim-bato va ny heriko? Na varahina va ny nofoko?",
"13": "Tsy efa foana va ny hery ho entiko mamonjy tena, ary tsy efa nakifika hiala amiko va ny faharetana?",
"14": "Izay efa mivarahontsana dia tokony hiantran'ny sakaizany. Fandrao mahafoy ny fahatahorana ny Tsitoha izy.",
"15": "Ny rahalahiko mampihambo manana ahy tahaka ny ranotrambo, dia tahaka ny mason-drano any an-dohasahan-driaka, izay malaky ritra,",
"16": "Izay mainty azon'ny ranomandry Sady iafenan'ny oram-panala;",
"17": "Fa raha taninin'ny hainandro izy, dia levona; raha maina ny andro, dia ritra eo amin'ny fitoerany izy;",
"18": "Mivilivily no fandehany tankina izy ka levona.",
"19": "Ny antokon'i Tema mitazana, ny andian'i Sheba manantena azy;",
"20": "Very hevitra ireo, satria samy nanampo; tonga teo izy, kanjo nangaihay.",
"21": "Fa ankehitriny efa tsinontsinona ianareo; Nahita ny fahoriana ianareo ka raiki-tahotra.",
"22": "Moa aho va efa nanao hoe: Omeo aho, ka mahafoiza zavatra ho ahy amin'ny fanananareo,",
"23": "Ary vonjeo amin'ny tanan'ny fahavalo aho, ka afaho amin'ny tanan'ny mpitohatoha?",
"24": "Mampianara ahy, dia hangina aho; Ary ampahafantaro izay nahadisoako aho.",
"25": "Endrey ny herin'ny teny marina! Fa mba mahavoa inona kosa moa ny anatra ataonareo?",
"26": "Ny amin'ny teniko ihany va no ananaranareo ahy? Fa ho amin'ny rivotra ny tenin'ny olona mamoy fo.",
"27": "Eny, fa na dia ny kamboty aza dia ataonareo loka, ary ny sakaizanareo dia ataonareo varotra.",
"28": "Fa ankehitriny, mas�na ianareo, mba atreho kely aho, dia ho hitanareo fa tsy handainga tsy akory aho.",
"29": "Mas�na ianareo, diniho indray aho, ary aoka tsy hisy fitsarana tsy marina; eny, diniho indray aho, fa mbola ao ihany ny fahamarinako.",
"30": "Moa misy heloka va eo amin'ny lelako?"
},
"7": {
"1": "Tsy mahafantatra izay ratsy va ny vavako? Tsy mpiantafika va ny zanak'olombelona ety; ambonin'ny tany? Ary tsy tahaka ny andron'ny mpikarama va ny androny?",
"2": "Toy ny mpanompo maniry alokaloka, ary toy ny mpikarama miandry ny karaman'ny asany,",
"3": "Dia toy izany no anaovana ahy hahita volana mampahory, ary alina mahadisadisa no tendrena ho ahy.",
"4": "Raha vao mandry aho, dia mieritreritra hoe: Rahoviana re no hifoha aho? Fa mihalava izany ny alina, ary mivadibadika indrindra aho mandra-pahazavan'ny andro.[Heb. hariva]",
"5": "Ny nofoko mitafy olitra sy baingan-tany; efa maina ny hoditro, kanjo mitsiranorano indray.",
"6": "Faingana noho ny famahanan-tenona ny androko ka lany tsy misy fanantenana.",
"7": "Tsarovy fa rivotra ny aiko: ary tsy hahita soa intsony ny masoko.",
"8": "Tsy hahita ahy intsony ny mason'izay mijery ahy: Ny masonao hizaha ahy, fa tsy ho ao aho.",
"9": "Tahaka ny rahona misava ka levona, dia tahaka izany koa, izay midina any amin'ny fiainan-tsi-hita tsy mba hiakatra intsony;[Heb. Sheola]",
"10": "Tsy hiverina any an-tranony intsony izy. Ary tsy hahalala azy intsony ny fonenany.",
"11": "Ary izaho dia tsy hamehy vava, Fa hiteny noho ny fahorian'ny fanahiko sy hitaraina noho ny fangidian'ny aiko.",
"12": "Ranomasina va aho, na trozona, No dia asianao fiambenana?",
"13": "Raha hoy izaho: Hampionona ahy ny farafarako, hampitony ny fitarainako ny fandriako.",
"14": "Dia mampitahotra ahy amin'ny nofy Hianao ary mampihorohoro ahy amin'ny tsindrimandry;",
"15": "Ka dia aleon'ny fanahiko ny hokendaina, eny, aleoko ny fahafatesana aza toy izay izato fitofezako izato;[Heb. taolako]",
"16": "Maharikoriko ahy izao, tsy tiako ny ho velona ela; Ilaozy miala aho, fa fofona foana ny androko.",
"17": "Inona moa ny zanak'olombelona, no ekenao ho lehibe, ka ampandinihinao azy ny fonao,",
"18": "Sady fantarinao isa-maraina izy; sy izahanao toetra isaky ny indray mipi-maso?",
"19": "Mandra-pahoviana re vao hihodina tsy hijery ahy Hianao, ka mba hiala amiko mandra-piteliko rora?",
"20": "Na dia ho nanota aza aho, nampaninona Anao moa izany, ry Mpandinika ny olombelona? Nahoana no dia nataonao fikendry aho, ka efa tonga enta-mavesatra amiko aho?",
"21": "Ary nahoana no tsy mamela ny fahadisoako sy manaisotra ny heloko Hianao? Fa izao dia efa handry any amin'ny vovoka aho; ary hitady ahy fatratra Hianao, fa tsy ho aty; intsony aho."
},
"8": {
"1": "Dia namaly Bildada Sohita ka nanao hoe:",
"2": "Mandra-pahoviana no hiteny toy izany ianao, ka ho rivotra mahery ny teny aloaky ny vavanao?",
"3": "Andriamanitra va hamadika ny fitsarana, na ny Tsitoha hamadika ny rariny?",
"4": "Raha nanota taminy ny zanakao, dia efa nampanodiaviny azy ny fahadisoany.",
"5": "Fa raha ianao kosa mandroso mitady an'Andriamanitra ka mifona amin'ny Tsitoha.",
"6": "Ary raha madio sy mahitsy ianao, dia hifoha hamonjy anao tokoa Izy ary hampiadana indray ny fonenan'ny fahamarinanao,[Na: hiambina]",
"7": "Ka na dia kely aza no niandohanao, dia ho lehibe indrindra no hiafaranao.",
"8": "Fa mas�na ianao, anontanio ange ny ntaolo, ka fantaro ny hevitra hitan'ny razany",
"9": "(Fa vao omaly isika ka tsy mba mahalala, fa aloka ihany ny androntsika ety; ambonin'ny tany);",
"10": "Tsy ireny va no hampianatra anao ka hilaza aminao ary hamoaka teny avy ao am-pony?",
"11": "Haniry va ny zozoro, raha tsy eny amin'ny fotaka? Hitrebona va ny harefo, raha tsy misy rano?",
"12": "Mbola maitso izy sady tsy voajinja, kanefa malazo alohan'ny zava-maitso rehetra.",
"13": "Toy izany no lalan'izay rehetra manadino an'Andriamanitra; Ary ho very ny fanantenan'ny mpihatsaravelatsihy,[Na: ratsy fanahy]",
"14": "Fa ho maito ny fanantenany, eny, ho tranon-kala ny tokiny.",
"15": "Miankina amin'ny tranony izy, kanjo tsy maharitra iny; Mihazona azy mafy izy, kanjo tsy mahazaka azy iny.",
"16": "Mitsimoka tsara tandrifin'ny masoandro izy, ary ny rantsany misandrahaka eo amin'ny tanimboliny;",
"17": "Mifelipelika mifaniditra eo amin'ny korontam-bato ny fakany ary mahazo any anelanelany;",
"18": "Kanjo nony fongorany hiala amin'ny fitoerany izy, dia handa azy izany ka hanao hoe: Tsy mbola nahita anao akory aho.",
"19": "Indro, izany ihany no fifalian'ny lalan-kalehany; ary hisy hafa indray mitrebona avy amin'ny vovoka.",
"20": "Indro, Andriamanitra tsy hanary ny olona tsy manan-tsiny ary tsy hitantana ny mpanao ratsy;",
"21": "Mbola hofenoiny hehy ny vavanao sy hoby ny molotrao.",
"22": "Izay mankahala anao hitafy henatra; Ary tsy hisy intsony ny lain'ny ratsy fanahy."
},
"9": {
"1": "Dia namaly Joba ka nanao hoe:",
"2": "Fantatro tokoa fa izany no izy; Fa aiza no hahamarina ny zanak'olombelona eo anatrehan'Andriamanitra?",
"3": "Raha te-hifandahatra aminy izy,dia tsy mahavaly teny Azy na dia iray amin'ny arivo aza.",
"4": "Hendry am-po Izy sady matanjaka amin'ny hery; iza no nikiry nanohitra Azy ka tsy naninona?",
"5": "Izay mamindra tendrombohitra, nefa ireny tsy mahalala akory, izay mamadika azy amin'ny fahatezerany,",
"6": "Ary mampihorohoro ny tany ho afaka amin'ny fitoerany, ka mihozongozona ny andriny;",
"7": "Mandidy ny masoandro Izy, ka tsy miposaka iny, ary manisy tombo-kase manafina ny kintana;",
"8": "Sady Izy irery ihany no mamelatra ny lanitra sy mandia ny onjan-dranomasina;",
"9": "Manao ireo kintana lehibe Izy, dia ny Bera sy ny Telonohorefy ary ny Ikotokelimiadilaona sy ireo kintana maro any atsimo,[Heb. ireny efi-trano ery; atsimo]",
"10": "Ary manao zava-dehibe tsy takatry ny saina, eny, fahagagana tsy hita isa.",
"11": "Indro, mandalo ahy Izy, nefa tsy hitako; Ary mihelina Izy, nefa tsy fantatro.",
"12": "Indro, mipaoka Izy, ka iza no mahasakana Azy? Iza no hanao aminy hoe: Inona no ataonao?",
"13": "Andriamanitra tsy mampitony ny fahatezerany; Ny mpanampy an-dRahaba aza dia mitanondrika eo ambaniny.[Rahaba = Rehareha]",
"14": "Mainka fa izaho tsy mahavaly Azy, na mahafidy teny hifandaharako aminy;",
"15": "Fa na dia marina aza aho, dia tsy hahavaly tsy akory; Hifona amin'Ilay manana ady amiko no hany heriko.",
"16": "Raha mba niantso aho, ka namaly ahy aza Izy, dia tsy ho nino aho fa hanaiky ny fitarainako Izy.",
"17": "Fa manorotoro ahy amin'ny tafio-drivotra Izy ka manamaro ny feriko tsy ahoan-tsy ahoana.",
"18": "Sady tsy avelany haka aina akory aho, fa vokisany zava-mangidy.",
"19": "Raha ny amin'ny herin'ny mahery, dia: Indro ary! Ary ny amin'ny fitsarana: Iza no hifandahatra amiko?",
"20": "Na dia marina aza aho, dia hanameloka ahy ihany ny vavako; Ary na dia tsy manan-tsiny aza aho, dia hanao ahy ho meloka Izy.",
"21": "Marina aho, ataoko tsinontsinona ny aiko; Tsy ahoako izay ho velona.",
"22": "Tsy misy hafa aminy, ka izany no nanaovako hoe: Ny marina sy ny meloka dia samy aringany avokoa.",
"23": "Raha misy loza mahafaty tampoka, dia mihomehy ny fizahan-toetra ny marina Izy.[Heb. fikapohana]",
"24": "Ny tany efa voatolotra ho eo an-tanan'ny ratsy fanahy; Manarona ny tavan'ny mpitsara eo Izy; Raha tsy Izy no manao izany, dia iza, kosa ary?",
"25": "Ny androko dia faingana noho ny tsimandoa; Lasa ireny ka tsy nahita soa akory.",
"26": "Mihelina tahaka ny lakana faingam-pandeha izy, tahaka ny voromahery mipaoka hanina.[Heb. lakana zozoro]",
"27": "Raha hoy izaho: Hanadino ny alaheloko aho, hitsahatra tsy hanjonitra aho ka ho miramirana,",
"28": "Dia mahatsiravina ahy ny fahoriako rehetra; Fantatro fa tsy hataonao ho tsy manan-tsiny aho.",
"29": "Tsy maintsy hatao ho meloka ihany aho, koa nahoana aho no hanasa-tena foana?",
"30": "Na dia mandro amin'ny oram-panala aza aho ka manadio ny tanako amin'ny ranon-davenona,",
"31": "Dia hanitrika ahy any am-pahitra miaraka amin'izay Hianao, ka hataon'ny fitafiako ho zava-betaveta aho.",
"32": "Fa tsy olona tahaka ahy Izy ka ho azoko valiana hifanatrehanay amin'ny fitsarana.",
"33": "Tsy misy mpanelanelana anay Hametraka ny tanany aminay roa tonta.",
"34": "Aoka hanaisotra ny tsorakazony amiko Izy, ary aoka tsy hampahatsiravina ahy ny fampitahorany,",
"35": "Dia hiteny aho ka tsy hatahotra Azy; Fa fantatro fa tsy hatahotra foana aho."
},
"10": {
"1": "Maharikoriko ahy ny aiko; Hamoaka ny fitarainako aho sy hiteny noho ny fangidian'ny fanahiko",
"2": "Hanao amin'Andriamanitra hoe aho: Aza manameloka ahy; Mba ampahalalao izay anton'ny iadianao amiko aho.",
"3": "Mahafaly Anao va ny hampahory sy hanary ny efa nisasaranao ka hamirapiratra amin'ny fisainan'ny ratsy fanahy?",
"4": "Manana maso nofo va Hianao? Na mijery tahaka ny fijerin'ny zanak'olombelona?",
"5": "Tahaka ny andron'ny zanak'olombelona va ny andronao? Na tahaka ny taonan'ny olombelona ny taonanao,",
"6": "No dia mikaroka izay heloko Hianao sy mikatsaka izay fahotako,",
"7": "Na dia fantatrao aza fa tsy mba ratsy fanahy aho, ary tsy misy mahavonjy amin'ny tananao?",
"8": "Ny tananao ihany no namorona ahy ka nanisy endrika izao tenako rehetra izao, kanjo levoninao indray aho izao.",
"9": "Masina Hianao, tsarovy fa notefenao toy ny tanimanga aho, ka hamerina ahy amin'ny vovoka indray Hianao!",
"10": "Tsy naidinao toy ny ronono va aho ka nampandrinao toy ny ronono-mandry?",
"11": "Eny, notafianao hoditra sy nofo aho ary norarinao tamin'ny taolana sy ny ozatra.",
"12": "Aina sy famindram-po no nomenao ahy; Ary ny fiahianao no niaro ny aiko.",
"13": "Saingy izao no nafeninao tao am-ponao, eny, fantatro fa tao aminao izao:",
"14": "Raha manota aho, dia mamantatra ahy Hianao ka tsy manafaka ahy amin'ny heloko.",
"15": "Raha meloka aho, dia lozako! Ary na dia marina aza aho, dia tsy ho sahy miandrandra, satria feno henatra sady mahatsiaro fahoriana aho.",
"16": "Fa raha sahy miandrandra aho, dia hihaza ahy tahaka ny liona masiaka Hianao; Ary hiverina indray Hianao, ka ho mahagaga ny famelinao ahy.",
"17": "Mbola hanangana vavolombelona vaovao mandrakariva hanameloka ahy Hianao sy hampitombo ny fahatezeranao amiko; Fahavalo mifanontona no mamely ahy.",
"18": "Ka nahoana no namoaka ahy foana avy tany am-bohoka Hianao? Fa raha tsy izany, dia ho niala aina aho, ka tsy mba nisy maso nahita ahy akory.",
"19": "Ary efa toy ny tsy ary aho. Ka nentina avy tany an-kibo ho any am-pasana.",
"20": "Tsy vitsy va ny androko? Koa mitsahara Hianao, mihataha mba hakako aina kely,",
"21": "Dieny tsy mbola lasa tsy hiverina aho, dia ho any amin'ny tanin'ny aizina sy ny aloky ny fahafatesana,",
"22": "Ho any amin'ny tany maizim-pito, dia ny an'ny aloky ny fahafatesana sy ny fikorontanana, sady maizim-pito ny famirapiratana any."
},
"11": {
"1": "Dia namaly Zofara Namatita ka nanao hoe:",
"2": "Moa tsy hovaliana va ny teny be toy izany? Ary moa raha maro vava, dia ho marina va?",
"3": "Ny bedibedinao va no hampangina ny olona? Ka dia haniratsira ianao, ka tsy hisy handresy lahatra,",
"4": "Ary dia hiteny hoe: Madio ny teny nalahatro, ary tsy nanan-tsiny teo imasonao aho.",
"5": "Enga anie ka hiteny Andriamanitra ka hiloa-bava hamaly anao!",
"6": "Dia hasehony aminao ny fahendrena miafina, fa tsy hita lany izany, ka dia ho fantatrao fa tsy dia novalian'Andriamanitra avokoa ny helokao.[Heb. roa sosona]",
"7": "Takatry ny sainao va ny fomban'Andriamanitra? Ary tanteraka va ny fahitanao ny Tsitoha [Na: ny famantarana an']",
"8": "Avo tahaka ny lanitra izany! ka inona no hainao atao? Lalina noho ny fiainan-tsi-hita! ka inona no fantatrao? [Heb. Sheola]",
"9": "Lava noho ny tany ny ohany ary lehibe noho ny ranomasina.",
"10": "Raha mandroso Izy ka misambotra ary manao fitsarana, dia iza moa no mahasakana Azy?",
"11": "Fa Izy mahafantatra ny olon-dratsy; Ary hitany ny heloka, na dia tsy mandinika akory aza Izy.[Na: Ary hitany ny heloka izay tsy heverin'ny olona akory]",
"12": "Koa na dia ny olom-poana aza dia hahazo fahendrena, ary na dia ny zanaky ny boriki-dia aza dia hateraka ho olombelona.[Na: Nefa ny olom-poana dia tsy manam-pahendrena; Eny, ny olombelona dia teraka ho toy ny boriki-dia]",
"13": "Raha ampanatrehinao Azy ny fonao, ary atantinao aminy ny tananao,",
"14": "Ka misy heloka eo an-tananao, dia ario lavitra izany, ary aza avela hisy ratsy hitoetra ao an-dainao;",
"15": "Dia hahazo hanandratra ny tavanao tsy misy tsiny ianao, koa hijoro tsara ary tsy hatahotra;",
"16": "Fa ho hadinonao ny fahorianao: Toy ny rano efa nandalo no hahatsiarovanao azy.",
"17": "Ary hamirapiratra lavitra noho ny mitataovovonana ny andronao; na dia sendra manjombona aza, dia ho tonga tahaka ny maraina.",
"18": "Hatoky ianao, satria misy fanantenana; eny, hijery manodidina ianao ka handry tsy amin'ahiahy.",
"19": "Dia ho tafandry ianao, fa tsy hisy hanaitaitra; Ary maro no hila sitraka aminao.",
"20": "Fa ny mason'ny ratsy fanahy kosa ho pahina, ka ho very avokoa ny fiarovana azy, ary ny fialana aina ihany no hany sisa azony antenaina."
},
"12": {
"1": "Dia namaly Joba ka nanao hoe:",
"2": "Marina ary fa ianareo ihany tokoa olombelona! Ary hiara-maty aminareo ny fahendrena!",
"3": "Kanefa izaho mba manan-tsaina tahaka anareo ihany koa; Tsy latsaka noho ianareo aho; Fa iza moa no tsy nahalala izay zavatra toy izany?",
"4": "Tonga fihomehezan'ny sakaizako aho. Dia izaho izay niantso an'Andriamanitra ka novaliany; Eny, tonga fihomehezana ny olona marina tsy manan-tsiny.",
"5": "Endrehin-datsa ny ozoim-pahoriana, raha araka ny hevitry ny miadana, eny, vonona ho amin'izay ela mangozohozo ny latsa.[Na: Fanilo milopilony ny ozoim-pahoriana, raha araka ny hevitry ny miadana, ka tandrifiny ho an'izay efa ho tafintohina ihany]",
"6": "Mandry fahizay ny lain'ny mpitohatoha, Ary mitoetra tsy manahy izay sahy mampahatezitra an'Andriamanitra, dia izay mitondra ny herin'ny tanany ho andriamaniny",
"7": "Kanefa anontanio ange ny biby, fa hampianatra anao izy, ary ny voro-manidina, fa hanambara aminao izy;",
"8": "Ary maka saina amin'ny tany, dia hampianatra anao izy. Ary ny hazandrano any an-dranomasina hampahalala anao.[Na: amin'ny hazo madinika]",
"9": "Iza no tsy mahalala, raha mandinika ireny rehetra ireny, fa ny nanao izany dia ny tanan'i Jehovah,[Na: Iza amin'ireny rehetra ireny no tsy mahalala]",
"10": "Izay mitana ny ain'ny zava-manan'aina rehetra sy ny fofonain'ny olombelona rehetra?",
"11": "Moa tsy ny sofina va no mamantatra ny teny? Ary tsy ny vava va no manandrana ny hanina?",
"12": "Ao amin'ny fotsy volo ny fahendrena, ary ny fahela-velona no ahazoam-pahalalana.",
"13": "Ao amin'Andriamanitra kosa no misy fahendrena sy hery; Izy no manana hevitra sy fahalalana.",
"14": "Indro, mandrava Izy, ka tsy hatsangana intsony; Manidy ny olona Izy, ka tsy hovohana.",
"15": "Indro, manampina ny rano Izy, ka dia ritra iny; Ary alefany indray ka mahasimba ny tany.",
"16": "Izy no manana hery sy tena fahendrena; Samy eo an-tanany avokoa ny voafitaka sy ny mpamitaka.",
"17": "Alany voninahitra ny mpanolo-tsaina, dia entiny. Ary asehony ny fahadalan'ny mpitsara.",
"18": "Vahany ny fifehezan'ny mpanjaka, ka feheziny mahazaka ny valahany.",
"19": "Alany voninahitra ny mpisorona, dia entiny, ary ny mafy orina ela dia ravany.",
"20": "Koroiny ny laha-tenin'ny mahay, ary ny fahazavan-tsain'ny anti-panahy dia esoriny.",
"21": "Mandatsaka fanamavoana amin'ny andriandahy Izy, ary ketrahiny ny fehin-kibon'ny matanjaka.",
"22": "Manala rakotra izay lalina Izy mba tsy ho maizina ary mitondra ny aloky ny fahafatesana ho eo amin'ny mazava.",
"23": "Mahalehibe ny firenena Izy, nefa mandringana azy koa, mampihahaka ny firenena Izy, nefa mitondra azy hody indray.",
"24": "Mahavery saina ny loholona amin'ny tany Izy ary mampirenireny azy any an-efitra tsy misy lalana;",
"25": "Mitsapatsapa amin'ny maizina tsy misy mavaza ireo; ary mampivembena azy tahaka ny olona mamo Izy."
},
"13": {
"1": "Indro, izany rehetra izany efa hitan'ny masoko, ary efa ren'ny sofiko ka fantany.",
"2": "Izay fantatrareo dia mba fantatro koa; Tsy latsaka noho ianareo aho tsy akory.",
"3": "Kanefa raha izaho, dia ny Tsitoha no tiako hitenenana, ary Andriamanitra no iriko handaharan-teny.",
"4": "Fa ianareo kosa dia mpamoron-dainga; Dokotera tsy mahomby ianareo rehetra,",
"5": "Enga anie ka hangina mihitsy ianareo, dia ho fahendrenareo izany!",
"6": "Mas�na ianareo, henoy ny anatro, ary tandremo izay alahatry ny molotro.",
"7": "Hanao teny tsy marina ho enti-manamarina an'Andriamanitra va ianareo? Hiteny fitaka ho Azy va ianareo?",
"8": "Hiangatra ho Azy va ianareo? Handaha-teny ho an'Andriamanitra va ianareo",
"9": "Ho tsara aminareo va, raha mandinika anareo Izy? Na ho azonareo fitahina hoatra ny famitaka zanak'olombelona va Izy?",
"10": "Hanameloka anareo mihitsy Izy, Raha miangatra mangingina ianareo.",
"11": "Tsy hampahatahotra anareo va ny fahalehibiazany? Ary tsy hitsatoka aminareo va ny fahatahorana avy aminy?",
"12": "Ireo teny tononinareo ireo dia ohabolana lavenona foana, ary manda fotaka ihany ny mandanareo.",
"13": "Mangina, ka miala amiko ianareo, mba hitenenako; Fa aoka hanjo ahy ihany izay hanjo ahy.",
"14": "Nahoana no hitondra ny nofoko amin'ny nifiko aho? Tsia, fa manao ny aiko tsy ho zavatra aho.[Na: Ka manao ny aiko eo an-tanako]",
"15": "Na dia hamono ahy aza Izy, mbola hanantena Azy ihany aho; Kanefa hanamarina ny lalako eo anatrehany aho.[Na: Indro, hamono ahy Izy, tsy manam-panantenana aho]",
"16": "Ary izao no ho famonjena ahy: Ny mpihatsaravelatsihy tsy sahy mankeo anatrehany.[Na: Ary ho famonjena ahy Izy, fa ny][Na: ratsy fanahy]",
"17": "Mihainoa dia mihainoa ny teniko, ary aoka ho ren'ny sofinareo ny filazako.",
"18": "Indro, fa efa voatoriko ny adiko; Fantatro fa hanan-drariny aho.[Na: voalamiko]",
"19": "Iza no hahazo hifandahatra amiko? Fa raha izany, dia hangina aho ka hiala aina.",
"20": "Izao zavatra roa loha izao ihany no aza mba atao amiko, dia tsy hiery Anao aho;",
"21": "Esory hanalavitra ahy ny tananao, ary aoka tsy hampahatsiravina ahy fampitahoranao.",
"22": "Dia miantsoa, fa izaho hamaly; Na aoka hiteny aho, ka valio aho.",
"23": "Firy ary ny heloko sy ny fahotako? Mba ampahalalao izay fiodinako sy fahotako aho.",
"24": "Nahoana no manafina ny tavanao Hianao, ka manao ahy ho fahavalonao?",
"25": "Moa izay ravin-kazo indaosin'ny rivotra avy va no ampitahorinao? Ary izay vodivary maina avy va no enjehinao?",
"26": "Fa zava-mangidy no tendrenao hamely ahy, ka ampanodiavinao ahy, ny heloky ny fahatanorako;",
"27": "Dia mampiditra ny tongotro eo amin'ny boloky hazo Hianao ary mitsikilo ny diako rehetra; Ny hodiavin'ny tongotro dia feranao.",
"28": "Dia izaho ity izay mihalevona tahaka ny zavatra hanin'ny fositra, eny, tahaka ny fitafiana lanin'ny kalalao."
},
"14": {
"1": "Ny olona tera-behivavy dia vitsy andro sady vontom-pahoriana.",
"2": "Mitsimoka tahaka ny voninkazo izy ka jinjana, ary mihelina tahaka ny aloka izy ka tsy mitoetra.[Na: malazo]",
"3": "kanefa amin'izay toy izany foana no ampihiratanao ny masonao? ka dia izay izaho avy no entinao hifandahatra aminao amin'ny fitsarana![Na: fitsaranao]",
"4": "Aiza no misy madio ateraky ny tsy madio? Tsy misy na dia iray akory aza.",
"5": "Raha voafetra ny androny, ary voatendrinao ny isan'ny volana iainany, ary asianao fefy tsy azony ihoarana,",
"6": "Dia mihodina tsy hanatrika azy Hianao, mba hitsaharany, ka hifaliany amin'ny androny toy ny mpikarama.[Na: hotaperany]",
"7": "Fa azo antenaina ny hazo, satria na dia kapaina aza izy, dia mbola hitsimoka indray, ka tsy maintsy hisy ny solofony;",
"8": "Na dia efa tonga antitra ao amin'ny tany aza ny fakany, ary maty ao amin'ny vovoka ny fotony,",
"9": "Raha mahare ny fofon-drano izy, dia hitsimoka indray. Ka handrahaka tahaka ny hazo tanora nambolena.",
"10": "Fa ny olona kosa maty ka miampatra; Eny, miala aina ny olona, ary aiza izy?",
"11": "Ny rano miala eo amin'ny kamory, ary ny ony mihena ka ritra,",
"12": "Ary toy izany koa ny olona; mandry izy ka tsy hitsangana intsony; Eny, mandra-paha-tsy hisian'ny lanitra dia tsy hahatsiaro izy na hofohazina amin'ny torimasony.",
"13": "Enga anie ka hanafina ahy any amin'ny fiainan-tsi-hita Hianao Ka hampiery ahy mandra-pahafaky ny fahatezeranao! Ary hanendry fetr'andro ho ahy, dia hahatsiaro ahy [Heb. Sheola]",
"14": "Raha maty ny olona, moa ho velona indray va izy? Raha izany, dia hiandry mandritra ny andro fanafihako aho, mandra-pahatongan'ny fahafahako.[Na: fiovako]",
"15": "Dia hiantso Hianao, ary izaho hamaly Anao; ary mba halahelo ny asan'ny tananao Hianao.",
"16": "Fa ankehitriny manisa ny diako Hianao; Tsy mitsikilo ny fahotako va Hianao?",
"17": "Efa voaisy tombo-kase ny kitapo misy ny fahadisoako; Ary voazaitranao ny heloko.",
"18": "Kanefa na dia ny tendrombohitra aza, raha mianjera, dia mihalevona; Ary ny vatolampy dia afindra hiala amin'ny fitoerany;",
"19": "Lanin'ny rano ny vato; ary indaosin'ny riaka ny vovo-tany: Toy izany no fanimbanao ny fanantenan'ny zanak'olombelona.",
"20": "Mandresy azy ho mandrakizay Hianao, ka lasa izy; Manova ny tarehiny Hianao ka mampandeha azy.",
"21": "Omem-boninahitra ny zanany nefa tsy fantany; Ary mietry ireo, nefa tsy hitany.",
"22": "Ny mihatra amin'ny tenany ihany no mampanaintaina azy, ary ny mihatra amin'ny tenany ihany no mampalahelo ny fanahiny."
},
"15": {
"1": "Dia namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe:",
"2": "Tokony handahatra hevi-dravina va ny olon-kendry, ka hameno ny kibony amin'ny rivotra avy any atsinanana va,",
"3": "Ary hamaly amin'ny teny tsy mahasoa sy ny teny tsy mahatsara?",
"4": "Eny, foananao ny fahatahorana an'Andriamanitra, ary tampenanao ny fivavahana eo anatrehany;[Na: hamavoinao]",
"5": "Fa ny helokao no manesika ny vavanao, ary mianatra ny lelan'ny fetsy ianao.[Na: Tsy maneho ny helokao va ny vavanao, Na dia mianatra ny lelan'ny fetsy aza ianao?]",
"6": "Ny vavanao ihany no manameloka anao, fa tsy izaho; Ary ny molotrao ihany no mamely anao.",
"7": "Hianao va no voalohany izay nateraka ho olombelona? Na naloaky ny kibo talohan'ny tendrombohitra va ianao?",
"8": "Isan'ny mpihevitra teo amin'Andriamanitra va ianao, ka voarombakao ho anao irery ny fahendrena?",
"9": "Inona no fantatrao, ka tsy mba fantatray koa, na saina azonao, ka tsy ato aminay koa?",
"10": "Ny anti-panahy sy ny fotsy volo dia misy ato aminay, eny, olona ela niainana noho ny rainao aza.",
"11": "Ataonao ho tsinontsinona va ny fampiononana avy amin'Andriamanitra sy ny teny natao aminao amin'ny fahalemem-panahy?",
"12": "Nahoana no dia entin'ny fonao ianao? Ary nahoana no mipipy foana ny masonao,",
"13": "Ka miefonefona amin'Andriamanitra ianao, sady miteniteny foana ny vavanao?",
"14": "Inona ny zanak'olombelona no mba hadio izy? Ary izay tera-behivavy no mba ho marina?",
"15": "Indro, ireo anjeliny aza tsy mahatoky Azy, ary ny lanitra aza tsy madio eo imasony;[Heb. masina]",
"16": "Koa mainka fa izay vetaveta sy tena ratsy, dia ny olona izay misotro heloka toa rano!",
"17": "Hanambara aminao aho, ka mihainoa ahy fa izay efa hitako no holazaiko,",
"18": "Dia zavatra notorin'ny olon-kendry, fa tsy nafeniny, dia izay azony avy tamin'ny razany;",
"19": "Ireny ihany no nomena ny tany, ary tsy nisy olona hafa firenena nisisika teo aminy.",
"20": "Ny ratsy fanahy mijalijaly amin'ny androny rehetra, dia amin'ny taona rehetra voatendry ho an'ny lozabe.",
"21": "Feo mampitahotra no ren'ny sofiny; Ary na dia miadana aza izy, dia avy hamely azy ihany ny mpandroba.",
"22": "Tsy manantena ho afaka amin'ny maizina izy; Andrasan'ny sabatra izy.",
"23": "Mirenireny hitady izay hohaniny izy ka manao hoe: Aiza re? Fantany fa antomotra azy ny andro maizina.",
"24": "Fahoriana sy fahaporitana no mampitahotra azy; Mandresy azy ireo tahaka ny mpanjaka efa vonona ho amin'ny ady,[Na: Alahelo sy ahiahy]",
"25": "Satria naninjitra ny tanany hanohitra an'Andriamanitra izy Ary nirehareha hanohitra ny Tsitoha.",
"26": "Mimaona amin'ny fahamafian-katoka hamely Azy izy, dia amin'ny foitran'ampingany matevina,",
"27": "Satria efa matavitavy tarehy izy, ary mivalon-kotraka ny valahany;",
"28": "Ary monina ao an-tanana rava izy, dia ao an-trano tokony tsy hitoeran'olona, izay efa voatendry ho korontam-bato.",
"29": "Tsy hanan-karena izy, sady tsy haharitra ny heriny, ka tsy ho vokatra ambonin'ny tany ny fananany.[Heb. hilonjehitra amin'ny tany toy ny vary efa vokatra]",
"30": "Tsy ho afaka amin'ny maizina izy; ny solofony hikainkona azon'ny lelafo; ho levon'ny fofonain'Andriamanitra izy.",
"31": "Aoka tsy ho voafitaka hatoky zava-poana izy; fa zava-poana no ho valiny homena azy.",
"32": "Raha mbola tsy tonga aza ny androny, dia manjo azy izany, ary tsy ho maitso ny sampany.",
"33": "Ho tahaka ny voaloboka manintsana ny voany manta izy ary ho tahaka ny hazo oliva mampiraraka ny voniny.",
"34": "Fa tsy ho vanona ny ankohonan'ny mpihatsaravelatsihy, ary ho lanin'ny afo ny tranon'ny mpitoroka.[Na: ratsy fanahy]",
"35": "Torontoronina fampahoriana izy ka miteraka fandozana, ary ny kibony mamorom-pitaka."
},
"16": {
"1": "Dia namaly Joba ka nanao hoe:",
"2": "Efa nandre zavatra maro toy izany aho; Mpampionona mahasorisorena foana ianareo rehetra.",
"3": "Efa tapitra va izay ny bedibedy foana? Sa mbola misy manesika anao hamaly ahy ihany?",
"4": "Izaho kosa mba mahazo miteny tahaka anareo, raha mba tonga tahaka ahy ianareo; eny, mahazo manamboatra teny ho enti-mamely anareo aho ary mahazo mihifikifi-doha aminareo;",
"5": "Mahazo mampahery anareo amin'ny Vavako aho, ary mahazo mampitony ny alahelonareo ny fampiononana ataon'ny molotro.",
"6": "Na dia miteny aza aho, dia tsy mitsahatra ny alaheloko; Ary na dia mangina aza aho, dia tsy misy mihena izany.",
"7": "Fa ankehitriny efa nandreraka ahy Izy; Naringanao ny ankohonako rehetra.",
"8": "Ary efa nampifezaka ny tenako Hianao, ka dia vavolombelona amiko izany. Ary mitsangana hiampanga ahy ny fahahiazako, ka dia tondromaso akaiky izany.[Na: nosamborinao aho]",
"9": "Amin'ny fahatezerany no amiravirany sy andrafiany ahy, mihidy vazana amiko Izy; Eny, miseho ho fahavaloko Izy ka mampivandravandra ny masony amiko;",
"10": "Nisanasana vava tamiko ny olona; Latsa no nentiny namely ny takolako; Mitambatra hamely ahy izy.",
"11": "Efa voatolotr'Andriamanitra ho amin'ny ratsy fanahy aho, ary natsipiny ho eo an-tanan'ny mpanota.",
"12": "Tamin'ilay izaho tsy nanana ahiahy iny, dia nanorotoro ahy Izy; Nosamboriny tamin'ny hatoko aho ka nomontsaniny, sady natsangany ho marika hokendreny.",
"13": "Manodidina ahy ny mpandefa zana-tsip�kany; Mamaky ny voako Izy ka tsy miantra ary manidina ny aferoko ho amin'ny tany.",
"14": "Bangabangainy lalandava aho, ka miroatra hamely ahy tahaka ny lehilahy mahery Izy.",
"15": "Lamba fisaonana no voazaitrako hanarona ny hoditro, ary nalako baraka tamin'ny vovoka ny tandroko.[Heb. lamba malailay]",
"16": "Ny tavako tera-menan'ny fitomaniana, ary eo amin'ny hodi-masoko ny aloky ny fahafatesana;",
"17": "Kanefa tsy misy eto an-tanako izay mba nalaina an-keriny; Ary madio ny fivavako.",
"18": "Ry tany o, aza manarona ny rako, ary aoka tsy ho voahazona ny fitarainako!",
"19": "Fa na dia ankehitriny aza, indro, any an-danitra ny Vavolombeloko, eny, ny Vavolombeloko dia any amin'ny avo.",
"20": "Na dia mihomehy ahy aza ny sakaizako, dia mamarin-dranomaso eo anatrehan'Andriamanitra kosa aho,",
"21": "Mba hanamarina ahy olombelona eo anatrehany Izy sy hanafa-tsiny ahy zanak'olombelona amin'ny sakaizako.[Heb. sakaizany]",
"22": "Fa rehefa lasa ny taona vitsy, dia handeha any amin'ny lalana izay tsy hiverenako intsony aho."
},
"17": {
"1": "Efa ho ritra ny aiko; Efa milopilopy ny androko; Efa miandry ahy ny fasana.",
"2": "Eny, fanesoana tokoa no manodidina ahy, ary tsy maintsy mijery ny filany ady amiko aho.",
"3": "Masina Hianao, aoka ny tenanao ihany no hiantoka ahy aminao; Fa iza moa no hety hiantoka ahy?",
"4": "Fa ny fon'ireto dia voahidinao tsy hidiran'ny fahalalana; koa izany no tsy hanandratanao azy.",
"5": "Izay manolotra ny sakaizany ho babo, dia ho pahina kosa ny mason'ny zanany.",
"6": "Ary efa nanao ahy ho ambentinteny amin'ny firenena Izy, ka rorany mandrakariva ny tavako.",
"7": "Efa pahina ny masoko noho ny alahelo; Ary efa toy ny aloka ny momba ny tenako rehetra.",
"8": "Ankona noho izany ny olona mahitsy, ary ny tsy manan-tsiny mihendratra mahita ny mpihatsaravela-tsihy.40",
"9": "Fa ny marina mifikitra tsara amin'ny halehany, ary izay madio tanana no hitombo hery.",
"10": "Avia avokoa indray ary ianareo rehetra tsy mahita izay olon-kendry eo aminareo aho.",
"11": "Mihelina ny androko, voaongotra ny fikasako. Dia izay hevitra fikirin'ny foko indrindra;",
"12": "Ny alina ataon'ireny ho antoandro, ary ny mazava ho efa akaiky, nefa tamy ihany ny maizina.",
"13": "Raha mbola misy antenaiko, dia ny fiainan-tsi-hita fonenako ihany; Ao amin'ny maizina no hamelarako ny fandriako.[Heb. Sheola]",
"14": "Ny fasana no nantsoiko hoe: Raiko ianao; Ary ny kankana: Reniko sy anabaviko ianao.[Na: Ny fahalovana]",
"15": "Fa aiza ary ny fanantenako? Ary iza no mahita azy?",
"16": "Midina any amin'ny vavahadin'ny fiainan-tsi-hita izany, raha mba hahita fitsaharana ao amin'ny vovoka aho.[Heb. Sheola]"
},
"18": {
"1": "Dia namaly Bildada Sohita ka nanao hoe:",
"2": "Mandra-pahoviana no hamandrika teny ianareo? Mba hendre aloha, dia vao hiteny izahay.",
"3": "Sao ataonareo ho biby anie izahay ka tahaka ny maloto eo imasonareo?",
"4": "Ry ilay mamiravira tena amin'ny fahatezerana, noho ny aminao va no hahatonga ny tany ho lao, ary ny vatolampy hafindra hiala amin'ny fitoerany?",
"5": "Tsy izany, fa ho faty ny jiron'ny ratsy fanahy, ary hilopilopy ny lelafony;",
"6": "Ny mazava manjary maizina ao amin'ny lainy, ary ny jirony eo amboniny dia maty.",
"7": "Etena ny herin'ny diany, ary ny fisainany ihany no mandavo azy.",
"8": "Fa ny tongony ihany no mahatonga azy eo amin'ny fandrika harato, ka manitsaka eo amin'ny harato izy;",
"9": "Azon'ny fandrika ny ombelahin-tongony ary voahazon'ny tadivavarana",
"10": "Miafina ao amin'ny tany ny fandrika haningotra azy sy ny tonta eny an-dalana.",
"11": "Fampitahorana no mampitahotra azy mano