UNPKG

mg-bibles

Version:

A package for accessing Bible verses in Malagasy (MG), Diem, King James (KJV), and Louis Segond (APEE) versions

304 lines 259 kB
{ "1": { "1": "Ny tenin'i Jeremia, zanak'i Hilkia, isan'ny mpisorona tao Anatota, tamin'ny tanin'ny Benjamina,", "2": "izay nanambarana ny tenin'i Jehovah tamin'ny andron'i Josia, zanak'i Amona, mpanjakan'ny Joda, tamin'ny taona fahatelo ambin'ny folo nanjakany,", "3": "sy tamin'ny andron'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda koa, ka hatramin'ny faran'ny taona fahiraika ambin'ny folo nanjakan'i Zedekia, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, dia hatramin'ny namaboana an'i Jerosalema tamin'ny volana fahadimy.", "4": "Tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:", "5": "Hatry ny fony ianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro, ary hatry ny fony ianao tsy mbola teraka no efa nohamasiniko sy notendreko ho mpaminany ho an'ny firenena.", "6": "Ary hoy kosa aho: Indrisy, Jehovah Tompo o! indro, tsy mahay mandaha-teny aho, fa mbola zaza.", "7": "Fa hoy Jehovah tamiko: Aza manao hoe: Mbola zaza aho; fa handeha amin'izay rehetra hanirahako anao ianao, ary izay rehetra handidiako anao no hambaranao.", "8": "Aza matahotra azy ianao; fa momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah.", "9": "Dia naninjitra ny tanany Jehovah ka nanendry ny vavako, ary hoy Jehovah tamiko: Indro, efa nataoko ao am-bavanao ny teniko,", "10": "ary indro Aho manendry anao izao andro anio izao hanam-pahefana amin'ny firenena sy ny fanjakana hanongotra sy hanjera sy handrava sy handrodana ary hanorina sy hamboly.", "11": "Ary tonga tamiko indray ny tenin'i Jehovah nanao hoe: Ry Jeremia, inona izao hitanao izao? Ary hoy izaho: Rantsan-kazo mahatsiaro no hitako.[Ny amygdala no ataon'ny Hebreo hoe \"hazo mahatsiaro\", satria mamony alohan'ny hazo sasany]", "12": "Dia hoy Jehovah tamiko: Marina ny ahitanao azy; fa mahatsiaro Aho mba hahatanteraka ny teniko.", "13": "Ary tonga tamiko fanindroany indray ny tenin'i Jehovah nanao hoe: Inona izao hitanao izao; Ary hoy izaho: Vilany mangotraka no hitako, ary mitongilana mianatsimo ny vavany.", "14": "Dia hoy Jehovah tamiko: Hiroatra avy any avaratra ny loza hanjo ny mponina rehetra amin'ny tany.", "15": "Fa, indro, hantsoiko firenena rehetra amin'ny fanjakana any avaratra, hoy Jehovah; dia ho tonga izy, ka samy hametraka ny seza fiandrianany eo anoloan'ny vavahadin'i Jerosalema avokoa hamelezany ny mandany rehetra manodidina sy ny tanana rehetra any Joda.", "16": "Ary hifandahatra aminy Aho noho ny haratsiany rehetra, dia ny nahafoizany Ahy sy ny nandoroany ditin-kazo manitra ho an'ny andriamani-kafa ary ny niankohofany teo anatrehan'ny asan'ny tanany.", "17": "Fa ianao kosa dia misik�na, ary miomana, ka lazao aminy izao rehetra andidiako anao izao; aza matahotra ireo, fandrao dia hataoko raiki-tahotra eo anatrehany ianao.", "18": "Indro, Izaho hanao anao ho tanana mimanda sy andry vy ary manda varahina mba tsy ho leon'ny tany rehetra, na ny mpanjakan'ny Joda, na ny lehibeny, na ny mpisorony, na ny vahoaka.", "19": "Fa hiady aminao ireny, nefa tsy hahaleo anao, satria momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah." }, "2": { "1": "Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah hoe:", "2": "Mandehana, ka miantsoa eo anatrehan'i Jerosalema hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Tsaroako ny niraiketan'ny fonao tamiko, fony ianao mbola tanora, sy ny fitiavanao, fony ianao vao nampakarina, dia ilay nanarahanao Ahy tany an-efitra, teny amin'ny tany tsy mbola nifafy zavatra;", "3": "Masina ho an'i Jehovah ny Isiraely sady santatra amin'ny vokany; Izay rehetra nihinana azy dia nohelohina, ny loza no nanjo ireny, hoy Jehovah.", "4": "Mihainoa ny tenin'i Jehovah, ry taranak'i Jakoba, sy ianareo, ry fokony rehetra amin'ny taranak'Isiraely!", "5": "Izao no lazain'i Jehovah: Inona moa no tsy marina hitan'ny razanareo tamiko, no dia nanalavitra Ahy izy sady nanaraka ny zava-poana, ka dia tonga zava-poana koa izy?", "6": "Ary izy tsy nanao hoe: Aiza Jehovah Izay nitondra antsika niakatra avy tany amin'ny tany Egypta sady nitarika antsika tany an-efitra, dia ilay tany foana sady be lavaka, tany karankaina sady aloky ny fahafatesana, tany izay tsy mba nalehan'olona akory na nonenan'olona?", "7": "Ary nitondra anareo niditra ho any amin'ny tany mahavokatra Aho, mba hihinananareo ny vokatra sy ny zavatra tsara eo aminy; Kanjo nony tafiditra ianareo, dia nolotoinareo ny taniko, sady novetavetainareo ny lovako.", "8": "Ny mpisorona tsy nanao hoe: Aiza Jehovah? Ary ny mpiadidy ny lalana tsy nahalala Ahy; Ny mpitondra koa nanota tamiko, ary ny mpaminany naminany tamin'ny anaran'i Bala ka nanaraka ireny tsy mahasoa.[Heb. mpiandry ondry]", "9": "Koa mbola hifandahatra aminareo Aho, hoy Jehovah, sy hiady amin'ny zafinareo koa.", "10": "Fa mita ho any amin'ny moron-dranomasin'i Kitima, ka izahao, ary maniraha ho any Kedara, ka diniho tsara, dia aoka ho hitanareo na mba efa nisy toy izao, na tsia:", "11": "Moa nisy firenena efa nanova ny andriamaniny va? Nefa ireny dia tsy Andriamanitra akory. Fa ny oloko kosa efa nanakalo ny voninahiny tamin'ireny tsy mahasoa ireny.", "12": "Talanjona amin'izany ry lanitra! Ary matahora, ka mangorohoroa indrindra, ianareo! hoy Jehovah;", "13": "Fa zava-dratsy roa loha no nataon'ny oloko: Efa nahafoy Ahy, loharanon'aina, izy ka nihady lavaka famorian-drano ho an'ny tenany, nefa lavaka mitriatriatra tsy mahatan-drano.", "14": "Moa mpanompo va Isiraely? Ompikely va izy? Koa nahoana no voababo izy?", "15": "Hamely azy no ampieronan'ny liona tanora sy amoahany feo ka mahatonga ny taniny ho lao nodorana ny tananany, ka tsy nisy mponina.", "16": "Ny mponina tao Memfisa sy Tapanesa aza efa nampangadihady ny tampon-dohanao.[Heb. Nofa]", "17": "Moa tsy ny nahafoizanao an'i Jehovah Andriamanitrao tamin'ny andro nitondrany anao teny an-dalana va no nahatonga izany taminao?", "18": "Koa inona no anton'ny ankanesanao amin'ny lalana mankany Egypta Hisotro ny ranon'i Sihora? Ary inona no anton'ny ankanesanao amin'ny lalana mankany Asyria hisotro ny rano amin'ny Ony? [Neily][Eofrata]", "19": "Ny haratsianao no anafaizana anao, ary ny fihodinanao no ananarana anao; Koa fantaro sy hevero fa ratsy sady mangidy ny nahafoizanao an'i Jehovah Andriamanitrao sy ny tsy nisian'ny tahotrao Ahy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.", "20": "Fa hatramin'ny ela no efa nanapahanao ny zioga taminao sy efa nanitosanao ny fatoranao, ka hoy ianao: Tsy hety hanompo aho; Nefa teny amin'ny havoana andrandraina sy teny ambanin'ny hazo maitso rehetra no nandrianao nijangajanganao.", "21": "Fa Izaho namboly anao ho karazam-boaloboka tsara indrindra, dia rantsana tsara avokoa; Ka ahoana no nanjary sampany ratsy ianao ho voaloboka hafa?", "22": "Fa na dia misasa sirahazo aza ianao ka maka lavenona betsaka hanadiovana anao, ny helokao dia mbola voasoratra eo anatrehako ihany, hoy Jehovah Tompo.[Na: maloto]", "23": "Ahoana no anaovanao hoe: Tsy nanao izay nahaloto ahy aho, tsy nanaraka ireo Bala aho? Hevero ny nalehanao tany amin'ilay lohasaha, fantaro izay nataonao, ry ramevavavy haingam-pandeha mivezivezy amin'ny alehany,", "24": "Sy ry borikivavi-dia tamana any an-efitra, izay manimbolo ny rivotra noho ny faniriany; Ary ny fahamaimaizany iza no mahasakana azy? Izay rehetra mitady azy dia tsy ho sasa-poana; Fa amin'ny volany no hahitany azy.", "25": "Aza esorina ny kapa amin'ny tongotrao; Ary aoka tsy ho maina ny tendanao; Nefa hoy ianao: Tsy misy fanantenana; Tsia! fa ny hafa no tiako, ka dia hanaraka azy aho.", "26": "Toy ny fangaihain'ny mpangalatra, raha azo, dia toy izany ny fangaihain'ny taranak'Isiraely, eny, izy sy ny mpanjakany sy ny lehibeny sy ny mpisorony ary ny mpaminaniny,", "27": "Dia izay manao amin'ny tapa-kazo hoe: Raiko ianao, ary amin'ny vato hoe: Hianao no niteraka ahy; Fa efa niamboho Ahy izy ka tsy nanatrika Ahy; Nefa amin'ny andro fahoriany kosa dia vao hanao hoe izy: Mitsangana, ka vonjeo izahay.", "28": "Fa aiza ireny andriamanitrao izay nataonao ho anao? Aoka hitsangana ireny, raha mahavonjy anao amin'ny andro fahorianao fa araka ny isan'ny tanananao, ry Joda, no isan'ny andriamanitrao.", "29": "Nahoana no mifandahatra amiko ianareo? Fa samy efa niodina tamiko ianareo rehetra, hoy Jehovah.", "30": "Foana ny namelezako ny zanakareo, fa tsy zaka nanarina izy; Ny sabatrareo nandringana ny mpaminaninareo, toy ny liona mamiravira.[Heb. nihinana]", "31": "Ry taranaka, dinihonareo ny tenin'i Jehovah! Moa efa nanjary tany efitra ho an'ny Isiraely va Aho, na tany maizim-pito? Nahoana ny oloko no manao hoe: Afaka mikarenjy izahay ka tsy hankany aminao intsony?[Na: tany misy aizim-pito avy amin'i Jehovah]", "32": "Hanadino ny firavany va ny virijina, na hanadino ny fehin-kibony misy haingony va ny ampakarina? Nefa tsy hita isa ny andro nanadinoan'ny oloko Ahy.", "33": "Kanto izany fandehanao hitady fitia izany, ka zarinao ho amin'ny ratsy ny dianao![Na: Ka na dia ny vehivavy ratsy fanahy aza dia ampianarinao ny fombanao]", "34": "Ary koa eo an-tsisin-dambanao no ahitana ny ran'ny olona malahelo izay tsy manan-tsiny, tsy tamin'ny tami-trano no nahazoanao azy, fa tamin'izany rehetra izany.", "35": "Nefa hoy ianao: Tsy manan-tsiny aho, efa afaka amiko tokoa ny fahatezerany. Indro, hifandahatra aminao Aho noho ny anaovanao hoe: Tsy nanota aho.", "36": "Nahoana ianao no maika hanova ny alehanao? Fa ho menatra noho ny amin'i Egypta koa ianao, toy ny nahamenaranao noho ny amin'i Asyria.", "37": "Izany koa dia hialanao, ka hiloloha tanana ianao; Fa nolavin'i Jehovah ny tokinao, ka tsy hambinina amin'ireo ianao." }, "3": { "1": "Fa hoy Izy: Raha misy lehilahy misao-bady, ary efa miala ravehivavy ka vadin'olon-kafa, moa mahazo miverina aminy indray va ralehilahy? Tsy haloto tokoa va izany tany izany? Fa ianao dia efa nijangajanga tamin-tsakaiza maro, ka moa hahazo miverina amiko va ianao? hoy Jehovah.[Na: hoy ny olona]", "2": "Andrandrao amin'ny tendrombohitra mangadihady ny masonao, ka jereo. Taiza no tsy nandrian'olona taminao? Teny an-dalambe no niandrasanao azy toy ny Arabo any an-efitra; Ary ny fijangajanganao sy ny faharatsianao no nandotoanao ny tany,", "3": "Ka dia voasakana ny orana mivatravatra, sady tsy tonga ny fara-orana; Ary ny handrinao dia handrin'ny vehivavy janga ka tsy manan-kenatra.", "4": "Moa tsy hitaraina amiko va ianao amin'izao sisa izao hoe: Ry Raiko o, Hianao no nahazatra ahy, hatry ny fony aho mbola tanora?", "5": "Ho tezitra mandrakizay va Izy? Hitahiry fahatezerana hatamin'ny farany va Izy? Indro, efa niteny toy izany ianao, nefa nanao izany ratsy izany ihany ka nahatanteraka izany.", "6": "Ary hoy Jehovah tamiko tamin'ny andro nanjakan'i Josia mpanjaka: Moa efa hitanao va izay nataon'Isiraely mpiodina? Niakatra ho eny amin'ny tendrombohitra avo rehetra sy ho eny ambanin'ny hazo maitso rehetra izy ka nijangajanga teny.", "7": "Ary nataoko fa rehefa nanao izany rehetra izany izy, dia hiverina amiko. Kanjo tsy niverina izy. Ary Joda mpivadika rahavaviny dia nahita izany.", "8": "Ary hitako fa na dia efa nisaorako aza Isiraely mpiodina ka nomeko taratasy fisaorana noho ny fijangajangana, dia tsy nety natahotra Joda mpivadika rahavaviny na dia izany aza, fa nandeha nijangajanga koa izy.", "9": "Ary tamin'ny fihorakorahan'ny fijangajangany no nandotoany ny tany, ary nijangajanga tamin'ny vato sy ny hazo izy.[Na: Noho ny fijejojejoany sy ny fijangajangany]", "10": "Fa na dia izany rehetra izany aza dia tsy nety niverina tamiko tamin'ny fony rehetra Joda mpivadika rahavaviny, fa tamin'ny fihatsaram-belatsihy ihany, hoy Jehovah.", "11": "Ary hoy Jehovah tamiko: Isiraely mpiodina dia hita fa marimarina kokoa noho Joda mpivadika.", "12": "Mandehana, ka torio manatrika ny avaratra izao teny izao hoe: Miverena ianao, ry Isiraely mpiodina, hoy Jehovah; Tsy hampanjombona ny tavako aminareo Aho; Fa mamindra fo Aho, hoy Jehovah, ka tsy hitahiry fahatezerana mandrakizay.", "13": "Kanefa kosa ekeo ny helokao, fa tamin'i Jehovah Andriamanitrao no niodinanao, ary nivezivezy nankany amin'ny hafa ianao. Teny ambanin'ny hazo maitso rehetra, fa tsy mba nihaino ny feoko ianareo, hoy Jehovah.", "14": "Miverena, ry zaza mpiodina, hoy Jehovah, fa Izaho ihany no vadinareo; Ary hangalako iray isan-tanana ianareo Sy roa isam-pokony, ka ho entiko ho any Ziona ianareo;", "15": "Dia homeko mpitondra araka ny sitrapoko ianareo. Izay hitondra anareo amin'ny fahalalana sy ny fahendrena.[Heb. mpiandry ondry][Heb. hiandry]", "16": "Koa rehefa mitombo sy mihamaro amin'ny tany ianareo, dia amin'izany andro izany, hoy Jehovah, no tsy hanaovany intsony hoe: Ny fiaran'ny faneken'i Jehovah; Ary tsy hosaintsaininy akory izany, sady tsy hahatsiaro na ho manina izany izy, na hanao fiara intsony.", "17": "Amin'izany andro izany no hanononana an'i Jerosalema hoe Seza fiandrianan'i Jehovah; Ary hivory any ny jentilisa rehetra noho ny anaran'i Jehovah any Jerosalema, ary izy tsy handeha intsony araka ny ditry ny fo ratsiny.", "18": "Amin'izany andro izany ny taranak'i Joda sy ny taranak'Isiraely dia hiara-mandeha, ka hiara-tonga avy any amin'ny tany avaratra izy ho any amin'ny tany nomeko ny razanareo ho lovany.", "19": "Ary Izaho efa nanao hoe: He! fa hataoko isan-janako ianao ka homeko tany mahafinaritra, dia lova izay tena endriky ny firenena. Eny, hoy Izaho: Hianao hanao Ahy hoe Raiko, ka tsy hiala amin'ny fanarahana Ahy.", "20": "Kanefa toy ny vehivavy misintaka miala amin'ny lahy, dia toy izany tokoa no nisintahanareo niala tamiko, ry taranak'Isiraely, hoy Jehovah.[Heb. sakaizany]", "21": "Injay! feo re any an-tendrombohitra mangadihady, dia fitomaniana amam-pitarainan'ny Zanak'Isiraely; Fa nivilivily tamin'ny nalehany izy ary nanadino an'i Jehovah Andriamaniny.", "22": "Miverena ianao, ry zaza mpiodina, fa hositraniko ny fiodinanareo. Indreto, manatona Anao izahay, fa Hianao Jehovah no Andriamanitray.", "23": "Foana tokoa ny horakoraka any amin'ny tendrombohitra sy ny havoana; Marina fa ao amin'i Jehovah Andriamanitray ny famonjena ny Isiraely.[Na: Foana tokoa ny fihorakorahana any amin'ny havoana]", "24": "Fa lanin'ilay mampahamenatra hatramin'ny fahazazanay ny zavatra efa nisasaran'ny razanay, dia ny ondry aman'osiny sy ny ombiny, ny zananilahy sy ny zananivavy.", "25": "Aoka handry ao amin'ny henatray izahay. Ary aoka hanarona anay ny fahafaham-boninahitray, satria tamin'i Jehovah Andriamanitray no efa nanotanay dia izahay sy ny razanay, hatramin'ny fahazazanay ka ambaraka androany sady tsy nihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitray izahay." }, "4": { "1": "Raha hiverina ianao, ry Isiraely, hoy Jehovah, dia ho amiko no hiverenanao, ary raha hanaisotra ny fahavetavetanao tsy ho eo imasoko ianao, dia tsy hivezivezy foana,", "2": "Fa hianiana amin'ny hitsiny sy ny rariny ary ny fahamarinana hoe: Raha velona koa Jehovah, dia Izy no holazain'ny firenena ho fahasambarany, ary Izy no ho reharehany.", "3": "Fa izao no lazain'i Jehovah amin'ny Joda sy Jerosalema: Hevoy ny tombamborakareo, fa aza mamafy amin'ny tsilo. [Na: Miasa tany vaovao ho anareo]", "4": "Mifora ho an'i Jehovah ianareo, eny, forao ny fonareo, ry Joda sy ry mponina any Jerosalema! Fandrao hiseho toy ny afo ny fahatezerako noho ny faharatsian'ny ataonareo ka hirehitra, sady tsy hisy hamono azy.", "5": "Ambaraonareo ao amin'ny Joda, ary torio ao Jerosalema, ka ataovy hoe: Tsofy ao amin'ny tany ny anjomara; Miantsoantsoa mafy, ka ataovy hoe: Mivoria ianareo, ka andeha isika hiditra amin'ny tanana mimanda.", "6": "Manangana faneva manandrify an'i Ziona; Mandosira faingana, aza mijanona; Fa Izaho hahatonga loza sy fandringanana be avy any avaratra.", "7": "Misy liona miakatra avy any anaty kirihitrala, ary ilay mpanimba ny firenena dia efa miainga, efa mivoaka avy amin'ny fitoerany hahafoana ny taninao, ary hahalao ny tanananao, ka tsy hisy mponina.", "8": "Ary noho izany dia misik�na lamba fisaonana ianareo, ka mitomania sy midradradradra; Fa ny firehetan'ny fahatezeran'i Jehovah tsy afaka amintsika.[Heb; lamba malailay]", "9": "Ary amin'izany andro izany, hoy Jehovah, dia ho very hevitra ny mpanjaka sy ny lehibe, ary ho kepoka ny mpisorona, sy ho gaga ny mpaminany.", "10": "Dia hoy izaho: Indrisy, Jehovah Tompo o! Efa nofitahinao tokoa ity firenena ity sy Jerosalema tamin'ny nanaovanao hoe: Hisy fiadanana ho anareo; Kanjo mihatra amin'ny aina ny sabatra.", "11": "Amin'izany andro izany dia holazaina amin'ity firenena ity sy Jerosalema hoe: Hisy rivo-mahamay avy any an-tendrombohitra mangadihady any an-efitra hankamin'ny oloko zanakavavy, kanefa tsy hikororohana na hanadiovana.[Na: Ny lalan'ny oloko zanakavavy dia rivotra mahamay, etc]", "12": "Dia ho tonga avy amiko izay rivotra mahery noho ireny; Ary ankehitriny Izaho kosa hifandahatra aminy.[Na: Dia ho tonga ety; amiko ny rivotra mahery izay avy amin'ireny]", "13": "Indro, avy toy ny rahona izy, Ary tahaka ny tadio ny kalesiny, faingana noho ny voromahery ny soavaliny; Lozantsika! fa lany ringana isika.", "14": "Ry Jerosalema, sasao ny fonao ho afaka amin'ny ratsy, mba hovonjena ianao! Mandra-pahoviana no hitoeran'ny hevi-dratsinao ao am-ponao?", "15": "Fa injany! misy feo manambara avy any Dana sy filazam-pahoriana avy amin'ny tany havoan'i Efraima,", "16": "Lazaonareo amin'ny firenena, torio amin'i Jerosalema hoe: Misy mpanao fahirano avy any an-tany lavitra ka manakora hamely ny tananan'ny Joda.", "17": "Manodidina azy ireo toy ny fanaon'ny mpiandry saha, fa efa niodina tamiko izy, hoy Jehovah.", "18": "Ny alehanao sy ny asanao no nahatonga izany taminao; Izany no faharatsianao, eny, mangidy izany sady mihatra amin'ny ainao.", "19": "Endrey ny kiboko! Endrey izany kiboko! Manaintaina aho; Endrey! mila ho triatra izany ny foko! Mitoloko ny foko, ka tsy mahay mangina aho; Fa ny feon'anjomara sy ny akoran'ady dia renao, ry fanahiko.[Heb. Endrey ny rindrin'ny foko!]", "20": "Fandravana mifanontona no ambara, rava ny tany rehetra; Rava tampoka ny laiko, eny, rava indray mipi-maso monja ny ambain-daiko.", "21": "Mandra-pahoviana re no mbola hijereko ny faneva sy handrenesako ny feon'anjomara?", "22": "Fa adala ny oloko, Izaho tsy mba fantany; Zaza tsy misy saina izy sady tsy manam-pahalalana; Raha ny hanao ratsy, dia hendry izy; Fa ny hanao soa kosa tsy fantany.", "23": "Nojereko ny tany, ka, indro, tsy nisy endrika izy sady foana, ary ny lanitra koa, ka, indro, tsy nanam-pahazavana izy;", "24": "Nojereko ny tendrombohitra, ka, indro, nihorohoro izy, ary ny havoana rehetra nihozongozona;", "25": "Nojereko, ka, indro, tsy nisy olona, ary ny voro-manidina rehetra efa nandositra;", "26": "Nojereko, ka, indro, ny saha mahavokatra aza efa tonga efitra, ary ny tananany rehetra dia rava teo anatrehan'i Jehovah, dia teo anoloan'ny firehetan'ny fahatezerany.[Na: karmela]", "27": "Fa izao no lazain'i Jehovah: Ho lao ny tany rehetra, nefa tsy dia holevoniko avokoa izy.", "28": "Noho izany dia hisaona ny tany, ary ho tonga mainty ny lanitra ambony, satria efa niteny izany Aho, sady efa nikasa izany ka tsy hanenina na hanatsoaka izany.", "29": "Noho ny fihorakoraky ny mpitaingin-tsoavaly sy ny mpandefa tsip�ka dia efa mandositra avokoa ny tanana rehetra; Mitsofoka any anatin'ny kirihitrala sy mananika ny vatolampy izy; Lao avokoa ny tanana rehetra, ka tsy misy mponina intsony ao.[Heb. rahona]", "30": "Ary hanao ahoana ianao, ry ilay rava? Na dia miakanjo jaky aza ianao, na dia miravaka volamena aza ianao, na dia hosoranao loko mainty aza ny masonao, foana ny itadiavanao hahatsara tarehy anao; Hanifika anao ireo lehilahy tia anao, ka ny ainao aza no hotadiaviny.", "31": "Fa efa nandre feo Aho tahaka ny vehivavy raha miteraka sy fidridridridriana tahaka ny vehivavy izay vao miteraka ny matoany, dia ny feon'i Ziona zanakavavy, izay misefosefo sady mamelatra ny tanany ka manao hoe: Lozako! Fa reraka ny aiko azon'ireo mpamono olona." }, "5": { "1": "Miveziveze eny an-dalamben'i Jerosalema ianareo, ka izahao sy fantaro ary tadiavo ao ankalalahana, fa raha mba misy olona hitanareo, izay manao ny marina sy mitady ny hitsiny, dia havelako ny helok'i Jerosalema.", "2": "Ary na dia misy aza manao hoe: Raha velona koa Jehovah, dia entiny mianian-tsy to izany.", "3": "Jehovah o, tsy mijery ny toe-panahy mahatoky va ny masonao? Namely azy Hianao, nefa tsy nahatsiaro naharary izy; Nandany azy Hianao, nefa tsy nety nino anatra izy; Nohamafisiny mihoatra noho ny harambato ny tarehiny, tsy nety niverina izy.", "4": "Ka dia hoy izaho: Olona ambany ireto; Adala izy fa tsy mahalala ny lalan'i Jehovah, na ny fitsipik'Andriamaniny;", "5": "Handeha ho any amin'ny lehibe aho lahy ka hiteny aminy, fa ireny dia mahalala ny lalan'i Jehovah sy ny fitsipik'Andriamaniny; Kanjo ireny koa aza dia samy efa nanapaka zioga sy nanito fatorana.", "6": "Koa noho izany dia mamely azy ny liona avy any an'ala, ary mandringana azy ny amboadia avy any an-efitra, ny leoparda miandry hamely ny tananany, ka izay rehetra mivoaka avy ao dia viraviraina; Fa efa maro ny fahadisoany, ary fatratra ny fiodinany.[lopa]", "7": "Koa nahoana Aho no hamela ny helokao? Efa nahafoy Ahy ny zanakao ka efa nianiana tamin'izay tsy Andriamanitra; Efa nampianianiko izy, nefa nijangajanga ihany ka nirohitra niditra tao an-tranon'ny vehivavy janga.[Na: efa novokisako]", "8": "Tahaka ny soavaly tsara fahana izy ka nikarenjy tamin'izay tiany, samy naneno tamin'ny vadin'ny namany avy.", "9": "Tsy hovaliako va izy amin'izany? hoy Jehovah; Ary tsy hialako fo va ny firenena toy izany?", "10": "Miakara eo amin'ny mandany ianareo, ka mameleza, nefa aza dia levonina avokoa izy; Esory ny sakeliny, satria tsy an'i Jehovah izy.", "11": "Fa efa nivadika tamiko mihitsy ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda, hoy Jehovah.", "12": "Nahafoy an'i Jehovah izy ka nanao hoe: Tsy Izy no izy; Tsy hisy loza hanjo antsika, ary tsy hahita sabatra na mosary isika;", "13": "Ny mpaminany dia hanjary rivotra, ary tsy ao am-pony Ilay miteny; Eny, izany no hanjo azy.[Na: ny teny]", "14": "Koa izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny maro. Noho ny nanaovanareo izany teny izany, indro, hataoko afo ny teniko izay eo am-bavanao, ary ity firenena ity ho kitay hazo ka holevoniny.", "15": "Indro, efa hitondra firenena avy lavitra Aho hamely anareo, ry taranak'Isiraely, hoy Jehovah, dia firenena mateza hery, Firenena hatry ny ela, Firenena izay tsy fantatrao ny fiteniny, ka tsy ho azonao izay lazainy.", "16": "Ny tranon-jana-tsip�kany dia tahaka ny fasana misokatra; Izy rehetra dia samy lehilahy mahery avokoa.", "17": "Ary hohaniny ny vokatrao sy ny haninao, hohaniny ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy, hohaniny ny ondry aman'osinao sy ny ombinao, hohaniny ny voalobokao sy ny aviavinao, sady horavany amin'ny sabatra ny tanana mimanda izay itokianao.", "18": "Nefa na dia amin'izany andro izany aza, hoy Jehovah, tsy dia holevoniko avokoa ianareo.", "19": "Ary raha hoy izy: Nahoana Jehovah Andriamanitsika no dia nanao izany rehetra izany tamintsika? Dia hovalianao hoe: Toy ny nahafoizanareo Ahy sy ny nanompoanareo andriamani-kafa teo amin'ny taninareo no hanompoanareo ny firenen-kafa any amin'ny tany izay tsy anareo.[Heb. ianareo]", "20": "Ambarao ao amin'ny taranak'i Jakoba, ary torio ao amin'ny Joda hoe:", "21": "Henoy izao, ry firenena adala sady tsy manan-tsaina, izay mana-maso, fa tsy mahita, ary manan-tsofina, fa tsy mandre:", "22": "Izaho va tsy atahoranareo? hoy Jehovah; Tsy mangovitra va ianareo eo anatrehako, izay nanao ny fasika ho fefin'ny ranomasina, dia fetra mandrakizay tsy azony hihoarana? Ka na dia mitopatopa aza ny onjany, dia tsy mahavaky azy, ary na dia mirohondrohona aza, dia tsy mahahoatra azy.", "23": "Fa ity firenena ity dia manana fo maditra sy miodina; Mihodina izy ka lasa,", "24": "Ary tsy manao anakampo akory hoe: Aoka isika hatahotra an'i Jehovah Andriamanitsika, izay mandatsaka ranonorana, dia ny loha-orana sy ny fara-orana amin'ny fotoany avy; Ary ireo herinandro voatendry ho amin'ny fararano dia tandremany ho antsika.", "25": "Ny helokareo no nampiala izany, ary ny fahotanareo no misakana ny soa tsy ho azonareo.", "26": "Fa misy hita fa ratsy fanahy ny oloko; Mamitsaka sy mijoko toy ny mpamandri-borona izy, mamela-pandrika izy, ka olona no azony.", "27": "Toy ny tranom-borona feno vorona no mahafeno fitaka ny tranony; Ary noho izany dia tonga lehibe sy mpanankarena izy.", "28": "Efa mihatavy izy ka mandimandina, dia mihoa-pampana amin'ny fanaovan-dratsy; Tsy mety mitsara ady mba hahazoan'ny kamboty ny rariny izy, ary ny adin'ny malahelo tsy mba tsarainy.", "29": "Tsy hovaliako amin'izany va izy? hoy Jehovah; Tsy hialako fo va ny firenena toy izany?", "30": "Zava-mahagaga sy mahatsiravina no atao eo amin'ny tany;", "31": "Ny mpaminany maminany lainga, ny mpisorona : manapaka araka izay atoron'ireny, ary ny oloko mankasitraka izany; Koa hanao ahoana re ianareo any amparany?" }, "6": { "1": "Hianareo, zanak'i Benjamina, mandosira faingana hiala an'i Jerosalema, ary tsofy ao Tekoa ny anjomara, ka manaova tsangan'afo ao Beti-hakerema; Fa misy loza sy fandringanana be miposaka avy any avaratra.[Na: manangana famantarana]", "2": "Ziona zanakavavy dia ampitoviko amin'ny fiandrasan-ondry misy ahitra milenodenoka.[Na: Aringako ilay tsara tarehy sy mihantahanta, dia Ziona zanakavavy]", "3": "Ao aminy no alehan'ny mpiandry sy ny ondry; Haoriny manodidina azy ny lainy, ka samy handany ny ao akaikiny avy izy.", "4": "Mitaova ianareo hanao ady masina hamelezana azy; Mitsangana, ka andeha isika hiakatra antoandro. Lozantsika! fa lasan-davitra ny andro, ka efa mandroso ny aloky ny hariva.", "5": "Mitsangana, ka andeha isika hanao latsak'alina, ary aoka horavantsika ny trano-beny.", "6": "Fa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro; Kapao ny hazo, ary manandrata tovon-tany hamelezana an'i Jerosalema; Io ilay tanana hovaliana, feno fampahoriana ny ao anatiny.", "7": "Toy ny loharano mampiboiboika ny ranony no ampiboiboihany ny faharatsiany; An-keriny sy fandravana no re ao aminy; Eo anatrehako mandrakariva ny faharariana sy ny faharatrana.", "8": "Minoa anatra ianao, ry Jerosalema, fandrao miombotra miala aminao ny fanahiko, ary fandrao hataoko tany lao ianao, dia tany tsy honenana.", "9": "Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Hotsimponina fatratra toy ny fitsimpona voaloboka izay sisa amin'ny Isiraely; Avereno ho amin'ny sakeliny ny tananao toy ny mpioty voaloboka.[Na: harona]", "10": "Iza no hilazako sy hanariko mba handrenesany? Indro, ny sofiny dia tsy voafora, ka tsy mahahaino izy; He! tsatsoiny ny tenin'i Jehovah ka tsy ankamaminy.", "11": "Fa ny fahatezeran'i Jehovah mahafeno ahy ka tsy zakako tsindriana intsony! Aidino amin'ny ankizy madinika eny an-dalambe sy amin'ny fiokoan'ny zatovo izany; Fa na lehilahy na vehivavy dia hosamborina avokoa, ary ny anti-panahy mbamin'ny ela niainana koa;", "12": "Ary ho lasan'ny sasany ny tranony mbamin'ny sahany sy ny vehivavy koa; Fa hahinjitro amin'ny mponina amin'ny tany ny tanako, hoy Jehovah,", "13": "Satria izy rehetra, na ny kely na ny lehibe, dia samy fatra-pila harena avokoa; Na ny mpaminany na ny mpisorona dia samy mamitaka avokoa.", "14": "Fa nataotaony foana ny fanasitranany ny faharatran'ny oloko zanakavavy tamin'ny nanaovany hoe: Fiadanana, fiadanana; Kanjo tsy misy fiadanana tsinona!", "15": "Nomenarina izy noho ny nanaovany fahavetavetana, nefa tsy mba menatra akory izy ary tsy mba valahara; Koa ho lavo ao amin'izay lavo izy, amin'ny andro hamaliako azy dia ho tafintohina izy, hoy Jehovah.", "16": "Izao no lazain'i Jehovah: Mijanona eo an-dalana ianareo, ka izahao, ary anontanio izay lalana masaka hatry ny ela. Dia izay lalana mankany amin'ny tsara, ka iny no izory, dia hahita fitsaharana ho an'ny fanahinareo ianareo; Nefa hoy izy: Tsy hizotra izahay.", "17": "Ary nasiako mpitily ianareo hanao hoe: Henoy ny feon'ny anjomara! Nefa hoy ianareo: Tsy hihaino izahay.[Heb. izy]", "18": "Koa henoinareo, ry jentilisa, ary aoka ho fantatrareo, ry fiangonana, ny hanjo azy.", "19": "Henoy, ry tany! Indro, Izaho hahatonga loza amin'ity firenena ity, dia ny vokatry ny heviny ihany; Fa tsy nihaino ny teniko izy, ary nolaviny ny lalako.", "20": "Nahoana no itondrana ditin-kazo mani-pofona avy any Sheba Aho sy veromanitra avy any amin'ny tany lavitra? Tsy sitrako ny fanatitra doranareo, ary tsy mamiko ny zavatra vonoinareo hatao fanatitra.", "21": "Koa izao no lazain'i Jehovah: Indro hasiako fahatafintohinana eo amin'ity firenena ity, ka dia samy ho tafintohina amin'izany ny ray mbamin'ny zanany; Ho faty ny olona mbamin'ny namany.", "22": "Izao no lazain'i Jehovah: Indro, misy firenena avy any amin'ny tany avaratra, dia firenena lehibe mitsangana avy any amin'ny faran'ny tany;", "23": "Tsipika sy lefona no entiny, lozabe sady tsy mamindra fo izy; Ny feony dia mirohondrohona toy ny ranomasina, sady mitaingin-tsoavaly izy ary voaomana tahaka ny lehilahy ho amin'ny ady, hamelezana anao, ry Ziona zanakavavy.", "24": "Efa renay ny lazany, ka miraviravy tanana izahay; Fahoriana no mahazo anay, eny, fanaintainana tahaka ny vehivavy raha miteraka.", "25": "Aza mivoaka ho any an-tsaha, ary aza mandeha amin'ny lalambe; Fa manan-tsabatra ny fahavalo, misy fampangorohoroana manodidina.", "26": "Ry oloko zanakavavy, misik�na lamba fisaonana ianao, ary mihosena lavenona, ka manaova fisaonana toy ny fisaonana zanakalahy tokana, dia fitomaniana fatratra; Fa ho avy tampoka amintsika ny mpandringana.", "27": "Ho mpizaha toetra ao amin'ny oloko no nanendreko anao, dia ho fiarovana mafy, mba ho fantatrao sy hizahanao toetra ny alehany.", "28": "Tena maditra avokoa izy rehetra ka mandehandeha manaratsy, varahina sy vy izy; Samy mpanao ratsy avokoa izy rehetra.", "29": "May ny tafoforana, levon'ny afo ny firaka, foana ny nandrendrehan'ny mpandrendrika, fa tsy voaisotra ny ratsy.", "30": "Ataon'ny olona hoe, volafotsy tsy lany izy, satria tsy lanin'i Jehovah." }, "7": { "1": "Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah:", "2": "Mitsangana eo am-bavahadin'ny tranon'i Jehovah, ary torio eo izao teny izao, ka ataovy hoe: Mihainoa ny tenin'i Jehovah ianareo, ry Joda rehetra, izay miditra amin'ireto vavahady ireto mba hiankohoka eo anatrehan'i Jehovah.", "3": "Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Ataovy tsara ny lalanareo sy ny ataonareo, dia hamponeniko amin'ity tany ity ianareo.", "4": "Aza matoky ny teny lainga hoe: Tempolin'i Jehovah, tempolin'i Jehovah, Tempolin'i Jehovah ity.", "5": "Fa raha ataonareo tsara mihitsy ny lalanareo sy ny ataonareo, ka mitsara marina ny adin'olona amin'ny namany ianareo,", "6": "Ary tsy mampahory ny vahiny sy ny kamboty sy ny mpitondratena, na mandatsaka ra marina amin'ity tany ity, sady tsy manaraka andriamani-kafa hahatonga loza aminareo,", "7": "Dia hamponeniko amin'ity tany ity ihany ianareo, dia eto amin'ny tany nomeko ny razanareo, hatramin'ny ela ka ho mandrakizay.", "8": "He! ianareo matoky ny teny lainga, nefa tsy mahasoa tsinona izany.", "9": "Hay! hangalatra sy hamono olona sy hijangajanga va ianareo ary hianian-tsy to sy handoro ditin-kazo manitra ho an'i Bala sady hanaraka andriamani-kafa izay tsy fantatrareo?", "10": "Nefa mbola avy miseho ao anatrehako amin'ity trano izay efa niantsoana ny anarako ity ihany ianareo ka manao hoe: Efa voavonjy izahay mba hanaovana ireto fahavetavetana rehetra ireto!", "11": "Moa ataonareo ho zohy fieren'ny jiolahy va ity trano izay efa niantsoana ny anarako ity? Indro, ny tenako aza dia mahita izany, hoy Jehovah.", "12": "Fa mandehana ianareo any amin'ny fitoerako izay ao Silo, dia ilay nasiako ny anarako any am-boalohany, ka jereo izay nataoko taminy noho ny haratsian'ny Isiraely oloko.", "13": "Koa ankehitriny, hoy Jehovah, satria nanao izany zavatra rehetra izany ianareo, ary niteny taminareo Aho, eny, nifoha maraina koa ka niteny taminareo, nefa tsy nohenoinareo, ary niantso anareo Aho, nefa tsy novalianareo,", "14": "Koa dia ho toy ny nataoko tamin'i Silo no hataoko amin'ny trano izay efa niantsoana ny anarako sady itokianareo, sy amin'ny fitoerana izay nomeko anareo sy ny razanareo;", "15": "Ary hesoriko hiala eto anatrehako ianareo toy ny nanesorako ny rahalahinareo rehetra, dia ny taranak'i Efraima rehetra.", "16": "Koa aza mivavaka ho an'ity firenena ity ianao, ary aza manandratra fitarainana sy fivavahana ho azy na mifona amiko; Fa tsy hihaino anao Aho.", "17": "Tsy hitanao va ny ataon'ireo any an-tananan'ny Joda sy any an-dalamben'i Jerosalema?", "18": "Ny zaza manangon-kitay, ny ray mandrehitra afo, ary ny vehivavy mametafeta ny koba hatao mofo ho an'ny mpanjakavavin'ny lanitra sy hanidinana fanatitra aidina ho an'ny andriamani-kafa mba hampahasosotra Ahy.", "19": "Moa Izaho va no ampahasosorin'ireo, hoy Jehovah, fa tsy ny tenany ihany mba ho fangaihainy?", "20": "Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, ny fahatezerako sy ny fahavinirako haidina amin'ity tany ity, dia amin'ny olona sy ny biby fiompy sy ny hazo any an-tsaha ary ny vokatry ny tany; Dia hirehitra izany ka tsy hovonoina.", "21": "Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Aoka ny fanatitra dorana ho naman'ny fanatitrareo hafa alatsa-dra, ka mihinana hena.", "22": "Fa tsy ny amin'ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa no nitenenako tamin'ny razanareo na nandidiako azy tamin'ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta;", "23": "Fa izao kosa no nandidiako azy: Henoy ny feoko. Dia ho Andriamanitrareo Aho, ary ianareo ho oloko ka handeha amin'ny lalana rehetra nandidiako anareo, mba hahitanareo soa.", "24": "Kanjo tsy nihaino izy na nanongilana ny sofiny, fa nandeha tamin'ny fisainany sy ny ditry ny fo ratsiny ihany izy dia niamboho, fa tsy mba nanatrika.", "25": "Hatramin'ny andro nivoahan'ny razanareo avy tany amin'ny tany Egypta ka ambaraka androany dia nirahiko ho any aminareo ihany ny mpaminany mpanompoko rehetra, eny, nifoha maraina koa isan'andro Aho ka naniraka azy mandrakariva.", "26": "Nefa tsy nihaino Ahy izy ireo sady tsy nanongilana ny sofiny, fa nanamafy ny hatony ka nanao ratsy mihoatra noho ny razany aza.", "27": "Ary na dia holazainao aminy aza ireo teny rehetra ireo, dia tsy hihaino anao izy; Ary na dia antsoinao aza izy, dia tsy hamaly anao.", "28": "Koa lazao aminy hoe: Ity no firenena tsy mihaino feon'i Jehovah Andriamaniny sady tsy mino anatra; Very ny fahamarinana, fa afaka tamin'ny vavany.", "29": "Hetezo ny volonao, ry Jerosalema, ka ario, ary manaova hira fahalahelovana any an-tendrombohitra mangadihady, satria lavin'i Jehovah sy afoiny ny taranaka mahatezitra Azy.", "30": "Fa manao izay ratsy eo imasoko ny taranak'i Joda, hoy Jehovah, mametraka ny fahavetavetany ao amin'ny trano izay efa niantsoana ny anarako izy mba handoto azy.", "31": "Ary izy nanorina ireo fitoerana avo any Tofeta, izay ao amin'ny lohasahan'ny taranak'i Hinema, handoroany ny zananilahy sy ny zananivavy amin'ny afo; Nefa zavatra tsy mba nandidiako na tao an-tsaiko akory aza izany.", "32": "Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay tsy hanaovana azy intsony hoe Tofeta, na Lohasahan'ny taranak'i Hinoma, fa Lohasaha Famonoana kosa. Ary any Tofeta aza no handevenana noho ny hateren'ny tany.", "33": "Ary ny fatin'ity firenena ity dia ho fihinan'ny voro-manidina sy ny bibidia, ka tsy hisy hanaitaitra azy.", "34": "Dia hatsahatro any an-tananan'ny Joda sy eny an-dalamben'i Jerosalema ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon'ny mpampakatra sy ny feon'ny ampakarina; Fa ho lao ny tany." }, "8": { "1": "Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, dia hofongarina avy ao am-pasana ny taolan'ny mpanjakan'ny Joda sy ny taolan'ny lehibeny sy ny taolan'ny mpisorona sy ny taolan'ny mpaminany ary ny taolan'ny mponina any Jerosalema,", "2": "ka haeliny eo anatrehan'ny masoandro sy ny volana ary ny kintana rehetra eny amin'ny lanitra, izay efa tiany sy notompoiny sy efa narahiny sy efa notadiaviny ary efa niankohofany teo anatrehany: tsy hangonina na halevina intsony ireny, fa hatao zezika eny ambonin'ny tany.", "3": "Ary ny sisa rehetra amin'ity taranaka ratsy ity, izay mbola sisa any amin'ny tany rehetra nandroahako azy, dia haniry ny ho faty noho ny ho velona, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.", "4": "Ary koa, lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Ho lavo va ny olona ka tsy hiarina? Hihodina hivily va ny olona ka tsy hitodika hiverina?", "5": "Nahoana ity firenena eto Jerosalema ity no miodina amin'ny fiodinana tsy mety mitsahatra? Mikikitra mafy amin'ny fitaka izy ka tsy mety miverina.[Heb. ity firenena Jerosalema ity]", "6": "Nihaino Aho, ka nandre, fa manao teny tsy marina izy: Ary tsy misy manenina ny amin'ny haratsiany hoe: Endrey izany nataoko izany! Izy rehetra dia samy mivily mankamin'ny alehany avy tahaka ny soavaly miriotra ho amin'ny ady.[Na: samy mivily eny am-pandehanany]", "7": "Na dia ny vano eny amin'ny lanitra aza dia mahalala ny fotoan'androny, ary ny domohina sy ny sidintsidina ary ny vanobe koa samy mitandrina ny fotoana fihaviany; Fa ny oloko kosa tsy mba mahalala ny fitsipik'i Jehovah.", "8": "Ahoana no anaovanareo hoe: Hendry izahay, ary ato aminay ny lalan'i Jehovah? Nefa ny fanoratan-daingan'ny mpanoratra mahatonga azy ho lainga.", "9": "Mahazo henatra ny hendry, raiki-tahotra sy voasambotra izy; Indro, ny tenin'i Jehovah dia nolaviny, ka inona intsony no fahendrena ananany?", "10": "Ary noho izany dia homeko ho an'ny sasany ny vadiny, ary ny sahany ho an'izay maka azy, satria izy rehetra, na ny kely na ny lehibe, dia samy fatra-pila harena, na mpaminany na mpisorona dia samy mamitaka avokoa.", "11": "Fa nataotaony foana ny fanasitranany ny faharatran'ny oloko zanakavavy tamin'ny nanaovany hoe: Fiadanana, fiadanana; Kanjo tsy misy fiadanana tsinona!", "12": "Nomenarina izy noho ny nanaovany fahavetavetana, nefa tsy mba menatra akory izy, ary tsy mba valahara; Koa ho lavo ao amin'izay lavo izy, amin'ny andro hamaliana azy dia ho tafintohina izy, ho Jehovah.", "13": "Hakifako tokoa izy, hoy Jehovah; Tsy mamoa ny voaloboka, ary tsy misy voany ny aviavy, malazo ny raviny; Ary nanendry izay hanafika azy Aho.", "14": "Nahoana isika no mbola mipetra-poana? Mivoria ianareo, ka andeha isika hiditra any an-tanana mimanda, ka dia ho faty ao; fa Jehovah Andriamanitra efa nanendry antsika ho faty ka nanome rano mangidy hosotrointsika Noho ny nanotantsika tamin'i Jehovah.", "15": "Nanantena fiadanana isika, kanjo tsy nahita soa; Ary andro fanasitranana, fa indro fampitahorana.[ Na: fahafinaretana]", "16": "Ny fiefonefon'ny soavaly dia re hatrany Dana: Mihorohoro ny tany rehetra noho ny fanenon'ny soavaly matanjaka; Fa avy izy ka mandany ny tany mbamin'ny izay rehetra ao aminy, dia ny tanana sy izay monina ao.", "17": "Fa indro Aho handefa bibilava hamely anareo, dia menarana izay tsy azon'ody, ka hanaikitra anareo ireny, hoy Jehovah.", "18": "Indrisy! enga anie ka hisy fahamiramiranana ho ahy eto amin'ny alaheloko, fa reraka ny foko ato anatiko.", "19": "Injany! misy feo fitarainan'ny oloko zanakavavy hatrany amin'ny tany lavitra hoe: Moa Jehovah tsy ao Ziona va? Ary tsy ao aminy va ny Mpanjakany? Nahoana no nahatezitra Ahy ireny tamin'ny sarin-javatra voasokitra ao aminy sy tamin'ny zava-poana avy amin'ny firenena hafa?", "20": "Lasa ny fararano, tapitra ny taom-piotazana, nefa tsy voavonjy isika.", "21": "Torotoro aho noho ny fahatorotoroan'ny oloko zanakavavy; Misaona aho, ary horohoro no mahazo ahy.", "22": "Moa tsy misy balsama va any Gileada? Moa tsy misy dokotera va any? Koa nahoana no tsy tanteraka ny fanasitranana ny oloko zanakavavy?", "23": "Enga anie ka ho rano ny lohako, ary ho loharanon-dranomaso ny masoko, mba hitomaniako andro aman'alina noho ny voavono amin'ny oloko zanakavavy!" }, "9": { "1": "Enga anie ka hahita fitoerana any an-efitra aho tahaka ny fitoeran'ny mpandeha! Dia hahafoy ny fireneko aho ka hiala aminy, satria mpijangajanga avokoa izy rehetra, eny, mpivadika miray tetika izy.", "2": "Manenjana ny lelany toy ny fanenjana tsip�ka izy mba handefa lainga. Ary tsy araka ny marina no mahahery azy ety; ambonin'ny tany; Fa mandroso amin'ny ratsy ka hatramin'ny ratsy izy, ary Izaho tsy mba fantany, hoy Jehovah.", "3": "Samia miaro tena amin'ny namany avy ianareo. Ary aza misy matoky olona na dia ny rahalahy aza; Fa ny rahalahy rehetra dia mamingana tokoa, ary ny namana rehetra mandehandeha manaratsy.", "4": "Izy rehetra samy mamitaka ny namany avy, ka tsy misy miteny marina; Mampianatra ny lelany handainga izy ary manasa-tena amin'ny fanaovan-dratsy.", "5": "Ny fonenanao dia ao anatin'ny fitaka; Fitaka no nandavany tsy hahalalana Ahy, hoy Jehovah.", "6": "Koa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Indro, handrendrika sy hizaha toetra azy Aho; Fa ahoana no hataoko noho ny amin'ny oloko zanakavavy?", "7": "Zana-tsip�ka mahafaty ny lelany ka miteny fitaka; Raha amin'ny vavany, dia miteny fihavanana amin'ny namany izy, kanjo ao anatiny kosa dia manao otri-po.", "8": "Tsy hovaliako va izy amin'izany zavatra izany? hoy Jehovah, tsy hialako fo va ny firenena toy izany?", "9": "Noho ny amin'ny tendrombohitra no hitomaniako sy hidradradrako, ary noho ny amin'ny kijana any an-efitra no hanaovako hira fa halahelovana, satria may izy, ka tsy misy mandeha mamaky eo aminy, ary tsy misy fimaman'omby re intsony, ary na ny voro-manidina na ny bibi-dia samy efa nandositra ka lasa avokoa.", "10": "Ary Jerosalema dia hataoko korontam-bato sy fonenan'ny amboadia; ary ny tananan'ny Joda hataoko lao tsy hisy mponina.[Na: jakala]", "11": "Iza no olon-kendry mba hahafantatra izao, sady efa nitenenan'ny vavan'i Jehovah mba hanambara izao? Fa nahoana no noravana ny tany sady may ho toy ny efitra, ka tsy misy mandeha mamaky eo aminy?", "12": "Ary hoy Jehovah: satria nahafoy ny lalako izay nataoko teo anoloany izy ka tsy nankato izany ary tsy nihaino ny feoko,", "13": "Fa nandeha araka ny ditry ny fony sy nanaraka ireo Bala araka izay nampianarin'ny razany azy,", "14": "Dia izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hofahanako zava-mahafaty ity firenena ity sy hampisotroiko rano mangidy;", "15": "Ary haeliko any amin'izay jentilisa tsy fantany na fantatry ny razany izy; Ary hampanenjehiko azy ny sabatra ambara-pandaniko azy.", "16": "Izao no lazain'i Jehovah. Tompon'ny maro: Mihevera tsara, ka antsoy ireny vehivavy mpanao hira fahalahelovana mba ho avy; Eny, ampanalao ireny vehivavy mahay mba ho tonga;", "17": "Ary asaovy haingana ireny hanandratra fidradradradrana ho antsika, mba hampijojy ny ranomasontsika sy hampivarina ny ranomaso avy amin'ny hodimasontsika.", "18": "Fa misy feo midradradradra re any Ziona hoe: Indrisy! rava isika; Afa-baraka indrindra isika, satria tsy maintsy mamoy ny tany, fa efa narodana ny trano nitoerantsika.", "19": "Nefa mihainoa ny tenin'i Jehovah, ianareo vehivavy, ary aoka hohenoin'ny sofinareo ny tenin'ny vavany, ka ampianaro fidradradradrana ny zanakavavinareo, ary samia mampianatra hira fahalahelovana ny namany avy.", "20": "Fa ny fahafatesana efa nananika ny varavarankelintsika ka niditra tao an-dapantsika, mba handringana ny ankizy madinika tsy ho eny an-dalambe sy ny zatovo tsy ho eny an-kalalahana.", "21": "Ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Hiampatrampatra ny fatin'ny olona ka ho tonga tahaka ny zezika eny an-tsaha sy tahaka ny amboara nilaozan'ny mpijinja, Izay tsy misy manangona azy.[Heb. any aorian']", "22": "Izao no lazain'i Jehovah: Aoka ny hendry tsy hirehareha amin'ny fahendreny, ary aoka ny mahery tsy hirehareha amin'ny heriny, ary aoka ny manan-karena tsy hirehareha amin'ny hareny;", "23": "Fa izay te-hirehareha dia aoka hirehareha amin'izao: Dia ny fahendreny sy ny fahalalany Ahy ho Jehovah, Izay manao famindram-po sy fitsarana marina ary fahamarinana ety; ambonin'ny tany; fa izany no sitrako, hoy Jehovah.", "24": "Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hamaliako ny voafora rehetra mbamin'ny tsy voafora koa,[Na: izay toy ny tsy voafora]", "25": "Dia Egypta sy Joda sy Edoma sy ny taranak'i Amona ary Moaba mbamin'izay rehetra voahety sisim-bolo, izay monina any an-efitra; Fa ny jentilisa rehetra dia tsy voafora, ary ny taranak'Isiraely rehetra kosa dia tsy voafora fo." }, "10": { "1": "Henoy ny teny izay lazain'i Jehovah aminareo, ry taranak'Isiraely!", "2": "Izao no lazain'i Jehovah: Aza mianatra ny fanaon'ny jentilisa; Ary aza matahotra ireo famantarana eny amin'ny lanitra; Fa ny jentilisa no matahotra izany.[Heb. didin']", "3": "Fa ny fanaon'ny firenena dia zava-poana; Fa hazo nokapaina tany an'ala ireny, dia asan-tanan'ny mpiasa amin'ny famaky;", "4": "Volafotsy sy volamena no an-dravahany azy, ary hombo sy tantanana no entiny manamafy azy, mba tsy hihetsiketehany.", "5": "Toy ny hazo voasana ho sari-drofia izy, fa tsy mahateny; Ary entina ihany izy, fa tsy mba afa-mandeha; Aza matahotra azy, fa tsy mahatonga loza izy sady tsy mahay manisy soa.[palma]", "6": "Tsy misy tokoa izay tahaka Anao, Jehovah o; Lehibe Hianao, ary lehibe amin'ny hery ny anaranao.", "7": "Iza no tsy hatahotra Anao, ry Mpanjakan'ny firenena! Fa Hianao no iendrehan'izany, eny, amin'ny hendry rehetra amin'ny firenena sy amin'ny fanjakany rehetra dia tsy misy tahaka Anao.", "8": "Fa ketrina sy adala avokoa izy rehetra; He! fananaram-poana! fa tapa-kazo ihany.", "9": "Volafotsy voafisaka nalaina avy tany Tarsisy sy volamena avy tany Ofaza Izany, asan-tanan'ny mpiasa sy ny mpanefy volamena; Lamba manga sy volomparasy ny fitafiany; Asan'ny mahay zavatra izy rehetra.", "10": "Fa Jehovah no Andriamanitra tokoa, eny, Izy no Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay. Izay mampihorohoro ny tany amin'ny fahatezerany, ka tsy tantin'ny firenena ny fahavinirany", "11": "(Izao no holazainareo amin'ireny; Ny amin'ny andriamanitra izay tsy mba nanao ny lanitra sy ny tany, dia ho levona tsy ho amin'ny tany na ho aty; ambanin'ny lanitra ireny)", "12": "Dia Ilay nanao ny tany tamin'ny heriny sy nampiorina izao tontolo izao tamin'ny fahendreny ary namelatra ny lanitra tamin'ny fisainany.", "13": "Raha mampirohondrohona ny rano any an-danitra Izy, dia mampiakatra fofona avy any amin'ny faran'ny tany; Manao ny helatra ho amin'ny ranonorana Izy sady mamoaka ny rivotra avy amin'ny firaketany.", "14": "Efa ketrina avokoa ny olona rehetra ka tsy manam-pahalalana; Menarina noho ny sarin-javatra voasokitra ny mpanefy volamena rehetra; Fa fitaka ny sarin-javatra an-idina, sady tsy misy fofon'aina ao aminy.", "15": "Zava-poana ireny, dia asa mahatsikaiky foana; Amin'ny andro hamaliana azy dia ho levona izy.", "16": "Tsy mba tahaka ireo ny Anjaran'i Jakoba; Fa Mpamorona ny zavatra rehetra Izy; Ary ny Isiraely no firenena lovany; Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany.", "17": "Angony ny korontan'entanao, ka ento hiala amin'ny tany, ry ilay mipetraka ao amin'ny haterena!", "18": "Fa izao no lazain'i Jehovah: Indro, hatorako ho indray misidina toy ny vaton'antsamotady ny mponina amin'ny tany, ary hataoko tery izy mba hahitany.", "19": "Mahita loza aho, fa torotoro! Tsy azo sitranina ny feriko; Nefa hoy Izaho: Anjara-fahoriako izao, ka dia hozakaiko ihany.", "20": "Rava ny laiko, ary tapaka avokoa ny kofehin-daiko; Lasa ny zanako, ka tsy misy intsony, eny, tsy misy hamelatra ny laiko intsony na hanantona ny ambain-daiko.", "21": "Fa efa ketrina ny mpiandry ondry ka tsy mitady an'i Jehovah; Izany no tsy mahahendry azy, ka dia miely ny ondry andrasany rehetra.", "22": "Injany! misy siosion-teny hoe: Indro, tamy izy amin'ny fihorakorahana be avy any amin'ny tany avaratra mba hahatonga ny tananan'ny Joda ho lao sy ho fonenan'ny amboadia.", "23": "Jehovah o, fantatro fa tsy an'ny olombelona ny lalan-kalehany, na an'ny mpandeha ny hahalavorary ny diany", "24": "Jehovah o, anaro aho, nefa araka ny antonony ihany, fa tsy amin'ny fahatezeranao, fandrao hataonao tonga tsinontsinona aho.", "25": "Aidino amin'ny jentilisa izay tsy mahalala Anao ny fahatezeranao, dia amin'ny taranaka Izay tsy miantso ny anaranao. Fa efa nihinana an'i Jakoba ireo, eny, nihinana sy nahalevona azy ary nahalao ny fonenany." }, "11": { "1": "Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah:", "2": "Mihainoa ny tenin'izao fanekena izao ianareo, ary mitenena