UNPKG

mg-bibles

Version:

A package for accessing Bible verses in Malagasy (MG), Diem, King James (KJV), and Louis Segond (APEE) versions

121 lines (120 loc) 16.2 kB
{ "1": { "1": "Jakoba, mpanompon'Andriamanitra sy Jesosy Kristy Tompo, mamangy ny firenena roa ambin'ny folo monina any am-pielezana.", "2": "Ry rahalahiko, ataovy ho fifaliana avokoa, raha iharan'ny fakam-panahy samy hafa ianareo, [ Na: fizahan-toetra]", "3": "satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana.", "4": "Ary aoka ny faharetana hisy asa tanteraka, mba ho tanteraka sy tonga ohatra ianareo, ka tsy hisy tsy ampy na inona na inona.", "5": "Ary raha misy ianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin'Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an'ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany. [ Na: kely fahendrena]", "6": "Nefa aoka hangataka amin'ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory; fa izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina entin'ny rivotra ka atopatopany.", "7": "Fa aoka tsy hanampo handray zavatra amin'ny Tompo izany olona izany:", "8": "olona miroa saina izy, miovaova amin'ny alehany rehetra.", "9": "Aoka ny rahalahy izay ambany hanao ny fisandratany ho reharehany;", "10": "fa ny manan-karena kosa ny fietreny, satria ho levona tahaka ny vonin'ny ahitra izy.", "11": "Fa miposaka ny masoandro mbamin'ny hainandro mahamay, dia mampahalazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny, ary levona ny hatsaran-tarehiny; dia toy izany koa no fahalazon'ny manan-karena amin'ny alehany.", "12": "Sambatra izay olona maharitra fakam-panahy; fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny satro-boninahitra fiainana, izay nolazain'ny Tompo homena izay tia Azy.", "13": "Raha misy alaim-panahy, aoka izy tsy hanao hoe: Andriamanitra no maka fanahy ahy; fa Andriamanitra tsy azon'ny ratsy alaim-panahy, sady tsy mba maka fanahy olona Izy;", "14": "fa samy alaim-panahy ny olona, raha tarihin'ny filany sy fitahiny izy.", "15": "Ary ny filana, rehefa torontoronina, dia miteraka ota; ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana.", "16": "Aza mety hofitahina ianareo, sy rahalahy malalako.", "17": "Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy any ambony ka midina avy amin'ny Rain'ny fanazavana, Izay tsy misy fiovaovana na aloka avy amin'ny fihodinana.", "18": "Tamin'ny sitrapony no niterahany antsika tamin'ny teny fahamarinana, mba ho santatry ny zavatra noforoniny isika.", "19": "Fantatrareo izany, sy rahalahy malalako. Kanefa aoka ny olona rehetra halady hihaino ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra;", "20": "fa ny fahatezeran'ny olona tsy ahefana izay marina eo imason'Andriamanitra.", "21": "Koa ario ny fahalotoana sy ny lolompo rehetra, ary ekeo amin'ny fahalemem-panahy ny teny nambolena, izay mahavonjy ny fanahinareo.", "22": "Fa aoka ho mpankato ny teny ianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo.", "23": "Fa raha misy mpihaino ny teny, nefa tsy mpankato, dia toy ny olona mizaha ny tarehiny eo amin'ny fitaratra izy;", "24": "fa mijery ny tenany izy, dia lasa, ary miaraka amin'izay dia hadinony ny tarehiny.", "25": "Fa izay mandinika ny lalana tanteraka, dia ny lalan'ny fahafahana, ka maharitra amin'izany, raha tsy mpihaino manadino, fa mpanao ny asa, dia ho sambatra amin'ny asany izany olona izany.", "26": "Raha misy manao azy ho mpivavaka, nefa tsy mamehy ny vavany, fa mamitaka ny fony, dia zava-poana ny fivavahan'izany olona izany.", "27": "Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan'Andriamanitra Ray: ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin'ny fahoriany, sy ny miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin'izao tontolo izao." }, "2": { "1": "Ry rahalahiko, aoka tsy hasiana fizahan-tavan'olona ny finoanareo ny Tompontsika, dia Jesosy Kristy, Tompon'ny voninahitra.", "2": "Fa raha misy olona miditra eo amin'ny synagoganareo misy peratra volamena amin'ny rantsan-tanany sady miakanjo tsara, ary mba miditra kosa izay olona malahelo miakanjo ratsy,", "3": "koa mijery ilay miakanjo tsara ianareo ka manao hoe: Mipetraha eto amin'ny fitoerana aloha ianao; ary manao amin'ilay malahelo kosa hoe: Mitoera eroa ianao, na: Mipetraha etsy amin'ny fitoeran-tongotro,-", "4": "moa tsy miangatra va ianareo amin'izany ka efa mpitsara manan-kevi-dratsy? [ Na: miahanahana]", "5": "Mihainoa, ry rahalahy malalako: Tsy efa nofidin'Andriamanitra va ny malahelo amin'izao fiainana izao ho mpanankarena amin'ny finoana sy ho mpandova ny fanjakana nolazainy homena izay tia Azy?", "6": "Fa ianareo efa nanala-baraka ny malahelo. Moa tsy ny mpanankarena va no mampahory anareo? Ary tsy izy va no mitarika anareo ho eo amin'ny fitsarana?", "7": "Tsy izy koa va no miteny ratsy ny anarana tsara izay niantsoana anareo? [ Gr. manao blasfemia; izahao Mat.9.3]", "8": "Kanefa raha mankato ilay didy ambony indrindra ianareo, araka ny Soratra Masina hoe: \"Tiava ny namanao tahaka ny tenanao\" (Lev. 29.18), dia manao tsara ianareo. [ Gr. andriana]", "9": "Fa raha mizaha tavan'olona kosa ianareo, dia manota ka helohin'ny lalana ho mpanota.", "10": "Fa na iza na iza mitandrina ny lalana rehetra, nefa diso amin'ny iray loha dia meloka amin'izy rehetra.", "11": "Fa Ilay nanao hoe: \"Aza mijangajanga\" no nanao hoe koa: \"Aza mamono olona\" (Eks. 20.13, 14). Fa raha tah�ny tsy mijangajanga ianao, kanefa mamono olona ihany, dia mpandika ny lalana ianao.", "12": "Aoka ianareo hiteny sy hanao araka izay mahamendrika anareo, izay olona hotsarain'ny lalan'ny fahafahana.", "13": "Fa fitsarana tsy misy famindram-po no ho anjaran'izay tsy mamindra fo; ary ny famindram-po kosa dia faly, fa tsy mba matahotra ny fitsarana.", "14": "Inona moa no soa azo, ry rahalahiko, raha misy milaza fa manam-pinoana izy, nefa tsy manana asa? Ny finoana va mahavonjy azy?", "15": "Raha misy rahalahy na anabavy tsy manan-kitafy sady tsy manan-kohanina isan'andro,", "16": "ka misy aminareo manao aminy hoe: Mandehana amin'ny fiadanana, mamindroa, mivokisa, kanefa tsy omenareo azy tsinona izay tandrifiny ho an'ny tenany, inona moa no soa azo amin'izany?", "17": "Ary mba toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy.", "18": "Fa angamba hisy hanao hoe: Hianao manam-pinoana, ary izaho manana asa; asehoy amiko tsy amin'ny asa ny finoanao, ary izaho kosa haneho aminao ny finoako amin'ny asako.", "19": "Hianao manao fa iray ihany no Andriamanitra; koa tsara izany ataonao izany,- ny demonia koa mba mino izany ka dia mangovitra.", "20": "Moa tsy fantatrao va, ry olom-poana, fa tsy vanona ny finoana tsy misy asa?", "21": "Tsy nohamarinina tamin'ny asa va Abrahama razantsika tamin'ny nanaterany an'isaka zanany teo ambonin'ny alitara?", "22": "Hitanao fa niara-niasa tamin'ny finoana ny asany, ary ny finoana dia notanterahina tamin'ny asa;", "23": "ary tanteraka ny Soratra Masina manao hoe: \"Ary Abrahama nino an'Andriamanitra, ka nisaina ho fahamarinany izany\" (Gen. 25.6), ary natao hoe \"Sakaizan'Andriamanitra\" izy (Isa. 41.8).", "24": "Koa dia hitanareo fa hamarinina amin'ny asa ny olona, fa tsy amin'ny finoana ihany.", "25": "Ary toy izany koa Rahaba janga, tsy nohamarinina tamin'ny asa va izy tamin'ny nandraisany ireny iraka ireny sy ny nampandehanany azy tamin'ny lalan-kafa?", "26": "Fa maty ny tena, raha tsy misy fanahy, ary maty toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa." }, "3": { "1": "Ry rahalahiko, aza dia samy ho mpampianatra be ihany ianareo, satria fantatrareo fa ho mafimafy kokoa no hitsarana anay mpampianatra.", "2": "Fa tafintohina amin'ny zavatra maro isika rehetra. Raha misy olona tsy mba tafintohina amin'ny teny, dia izy no lehilahy tanteraka ka mahafehy ny tenany rehetra koa.", "3": "Ary raha asiantsika lamboridy amin'ny vavan'ny soavaly mba hanarahany antsika, dia mitondra ny tenany rehetra isika.", "4": "Indreo koa ny sambo, na dia lehibe aza ireny ka entin'ny rivotra mahery, dia ahodin'ny familiana kely foana izy ho any amin'izay tian'ny mpitondra.", "5": "Dia toy izany koa ny lela, rantsana kely izy, kanefa mirehareha fatratra. Indro, ny fiavovon'ny antontan-kazo arehitry ny afo kely! [ Na: ala]", "6": "Ary afo ny lela, dia faharatsiana tsy hita lany; eo amin'ny momba ny tenantsika dia ny lela no mampipentimpentina ny tena rehetra ka mampirehitra izao zavatra ary rehetra izao, sady arehitry ny helo izy; [ Gr. Gehena]", "7": "Fa folaka avokoa ny karazan'ny bibi-dia rehetra sy ny vorona sy ny biby mandady sy mikisaka mbamin'ny any an-dranomasina, eny, voafolaky ny olombelona ireny; [ Gr. fomban']", "8": "fa tsy misy olona mahafolaka ny lela; zava-dratsy tsy manam-pijanonana izy sady feno ody mahafaty.", "9": "Izy no isaorantsika ny Tompo, dia ny Ray; ary izy ihany koa no anozonantsika ny olona, izay natao araka ny endrik'Andriamanitra.", "10": "Ny vava iray ihany no ivoahan'ny fisaorana sy ny fanozonana. Ry rahalahiko, tsy mety raha misy izany.", "11": "Moa ny loharano va mamoaka rano mamy sy mangidy eo amin'ny vavany iray ihany?", "12": "Ry rahalahiko, ny aviavy va mety mamoa voan'oliva, na ny voaloboka mamoa voan'aviavy? Toy izany ny rano masirasira tsy mba ivoahan'ny mamy.", "13": "Iza eo aminareo no hendry sy manam-pahalalana? Aoka hasehony amin'ny fitondran-tena tsara ny asany amin'ny fahalemem-panahin'ny fahendrena.", "14": "Fa raha misy fialonana mirehitra sy fifampiandaniana ao am-ponareo, aza mirehareha na mandainga manohitra ny marina. [ Gr. mangidy]", "15": "Izany fahendrena izany dia tsy ny avy any ambony, fa araka ny ety; an-tany ihany, araka ny nofo, araka ny an'ny demonia.", "16": "Fa izay misy fialonana sy fifampiandaniana dia misy fikorontanana mbamin izay asa ratsy rehetra.", "17": "Fa ny fahendrena izay avy any ambony dia madio aloha, ary tia fihavanana, mandefitra, mora alahatra, be famindram-po sy be voka-tsoa, tsy miahanahana na mihatsaravelatsihy. [ Na: miangatra]", "18": "Ary ny vokatry ny fahamarinana dia afafy amin'ny fihavanana ho an'izay mampandroso ny fihavanana. [ Na: Izay mampandroso ny fihavanana no mamafy ny vokatry ny fahamarinana amin'ny fihavanana]" }, "4": { "1": "Avy aiza ny ady, ary avy aiza ny fifandirana eo aminareo? Tsy izao va no ihaviany, dia ny filanareo izay miady ao anatin'ny momba ny tenanareo?", "2": "Mila ianareo, nefa tsy manana ihany; mamono sy mitsiriritra ianareo, nefa tsy mahazo ihany; mifanditra sy miady ianareo; tsy manana ianareo, satria tsy mangataka. [Na: mialona]", "3": "Mangataka ianareo, nefa tsy mahazo ihany, satria diso fangataka, mba holaninareo amin'ny filanareo.", "4": "Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an'Andriamanitra ny fisakaizana amin'izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan'izao tontolo izao, dia fahavalon'Andriamanitra izy.", "5": "Ary ataonareo va fa miteny foana ny Soratra Masina? Ny fanahy, izay nampitoeriny ato anatintsika dia iriny amin'ny fahasaro-piaro. [ Na: ny Soratra Masina hoe] [ Na: izay mitoetra ato anatintsika] [ Na: Ny Fanahy, Izay nampitoeriny ato anatintsika, dia maniry amin'ny fahasaro-piaro; na: Ny fanahy, izay nampitoeriny ato anatintsika, dia maniry amin'ny fialonana]", "6": "Nefa manome fahasoavana bebe kokoa Izy. Koa hoy izy: \"Andriamanitra manohitra ny mpiavonavona, fa manome fahasoavana ho an'ny manetry tena\" (Oha. 3.34].", "7": "Ka dia maneke an Andriamanitra ianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy.", "8": "Manatona an'Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. Diovy ny tananareo, ry mpanota; ary ataovy madio ny fonareo, ry mpiroa saina.", "9": "Oria, sy mitomania, ary midradradradra; aoka hody fitomaniana ny fihomehezanareo, ary hody fanjoretana ny fifalianareo.", "10": "Manetre tena eo anatrehan'ny Tompo, dia hanandratra anareo Izy.", "11": "Aza mifanaratsy, ry rahalahy. Izay manaratsy rahalahy na mitsara ny rahalahiny dia manaratsy ny lalana sy mitsara ny lalana; fa raha mitsara ny lalana ianao, dia tsy mpankato ny lalana, fa mpitsara.", "12": "Iray ihany no Mpanome lalana sy Mpitsara, dia Ilay mahavonjy sy mahavery; fa iza moa ianao, no mitsara ny namanao?", "13": "He! ianareo izay manao hoe: Anio na ampitso dia hankany Ananona izahay ary hitoetra any herintaona ka hividy sy hivarotra ary hahazo tombom-barotra,", "14": "kanefa tsy mahalala ny ho ampitso ianareo. Inona moa ny ainareo? Fa zavona ihany ianareo, izay miseho vetivety, dia levona.", "15": "Fa aleo manao izao: Raha sitrapon'ny Tompo, ka velona izahay, dia hataonay izao na izany.", "16": "Fa izao dia mirehareha amin'ny fahasahianareo ianareo; ratsy ny fireharehana rehetra toy izany.", "17": "Koa izay mahalala hanao soa, nefa tsy manao, dia heloka ho azy izany." }, "5": { "1": "He! ianareo manan-karena, mitomania sy midradradradra noho ny fahoriana izay efa manjo anareo.", "2": "Ny harenareo efa simba, ary ny fitafianareo efa lanin'ny kalalao.", "3": "Ny volamena sy ny volafotsinareo dia efa harafesina; ary ny harafesiny dia ho vavolombelona hiampanga anareo sady handany ny nofonareo tahaka ny afo. Efa namory harena amin'ny andro farany ianareo.", "4": "Indro, ny karaman'ny mpiasa nijinja ny taninareo, izay hazoninareo, dia mitaraina; ary ny fitarainan'ny mpijinja dia efa tafiditra amin'ny sofin'ny Tompon'ny maro.", "5": "Efa velona tamin'ny fy tety; ambonin'ny tany ianareo sady nanaram-po tamin'ny fahafinaretana; efa namahy ny fonareo tamin'ny andro hamonoana ianareo.", "6": "Efa nanameloka namono ny marina ianareo; fa tsy manohitra anareo izy. [ Na. Ilay marina . . . Izy]", "7": "Ary amin'izany dia mahareta tsara, ry rahalahy, mandra-pihavin'ny Tompo. Indro, ny mpiasa tany miandry ny voka-tsoa amin'ny tany ka maharitra amin'izany mandra-pahazony ny ranonorana aloha sy aoriana.", "8": "Mahareta koa ianareo, mampahereza ny fonareo, fa efa mby akaiky ny fihavian'ny Tompo.", "9": "Aza mifampimonomonona, ry rahalahy, fandrao hohelohina ianareo; Indro, ny Mpitsara efa mitsangana eo anoloan'ny varavarana.", "10": "Ry rahalahiko, aoka ny mpaminany izay niteny tamin'ny anaran'ny Tompo no halainareo ho fianarana ny fandeferam-pahoriana sy ny faharetana.", "11": "Indro, ataontsika fa sambatra izay efa naharitra. Efa renareo ny faharetan'i Joba ary efa hitanareo ny faran'ny nataon'ny Tompo taminy, fa miantra indrindra ny Tompo sady be famindram-po.", "12": "Fa mihoatra noho ny zavatra rehetra, ry rahalahiko, aza mianiana, na amin'ny lanitra, na amin'ny tany, na amin'izay fianianana hafa akory aza; fa aoka ny fanaikinareo ho \"Eny\", ary ny fandanareo ho \"Tsia\", fandrao hiharan'ny fitsarana ianareo.", "13": "Misy azom-pahoriana va eo aminareo? Aoka izy hivavaka. Misy faly va? Aoka izy hihira fiderana.", "14": "Misy marary va eo aminareo? Aoka izy hampaka ny loholon'ny fiangonana; ary aoka hanosotra diloilo azy amin'ny anaran'ny Tompo ireo sady hivavaka eo aminy; [ Gr. presbytera] [ Gr. eklesia]", "15": "ary ny fivavaky ny finoana dia hamonjy ilay marary, fa ny Tompo hanangana azy; ary raha nanota izy, dia havela ny helony.", "16": "Koa mifaneke heloka ianareo, ary mifampivavaha, mba ho sitrana ianareo. Ny fiasan'ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra.", "17": "Elia dia olona tahaka antsika ihany, ary izy nahery nivavaka mba tsy hilatsahan'ny ranonorana; dia tsy nilatsaka tamin'ny tany ny ranonorana telo taona sy enim-bolana.", "18": "Ary nivavaka indray izy, dia nandatsaka ranonorana ny lanitra, ka nahavokatra ny tany.", "19": "Ry rahalahiko, raha misy eo aminareo miala amin'ny fahamarinana, ary misy anankiray mampibebaka azy,", "20": "aoka ho fantany fa izay mampibebaka ny mpanota hiala amin'ny lalan'ny fahadisoany dia hamonjy fanahy tsy ho faty sady hanarona heloka be." } }