UNPKG

mg-bibles

Version:

A package for accessing Bible verses in Malagasy (MG), Diem, King James (KJV), and Louis Segond (APEE) versions

30 lines (29 loc) 3.03 kB
{ "1": { "1": "Paoly, mpifatotra an'i Kristy Jesosy, ary Timoty rahalahy, mamangy an'i Filemona, izay malalanay sy mpiara-miasa aminay,", "2": "ary mamangy an'i Apia anabavinay sy Arkipo, miaramila namantsika, ary ny fiangonana ao an-tranonao:", "3": "ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.", "4": "Misaotra an'Andriamanitro mandrakariva aho, raha mahatsiaro anao amin'ny fivavahako,", "5": "satria reko ny fitiavanao sy ny finoana izay anananao ho an'i Jesosy Tompo sy ho an'ny olona masina rehetra, [ Na: ny finoanao]", "6": "mba hiasa mafy ho an'i Kristy ny fiombonana avy amin'ny finoanao amin'ny fahalalana tsara ny zavatra rehetra izay ao anatinareo.", "7": "Fa nanana fifaliana sy fiononana amin'ny fitiavanao aho, satria efa novelombelominao ny fon'ny olona masina, ry rahalahy.", "8": "Koa na dia manana fahasahiana be ao amin'i Kristy handidy anao amin'izay mendrika aza aho,", "9": "nefa noho ny fitiavana, izaho Paoly, izay efa anti-panahy sady mpifatotra an'i Kristy Jesosy koa ankehitriny, dia miangavy aminao. [ Na: ambasadora]", "10": "Eny, miangavy aminao aho ny amin'ny zanako, izay naterako teto amin'ny fifatorako, dia Onesimosy, [ Onesimosy = Mahasoa]", "11": "ilay tsy nahasoa anao fahiny, nefa ankehitriny mahasoa antsika, dia ianao sy izaho;", "12": "izay nampodiko indray, dia ilay sombin'ny aiko;", "13": "saiky nohazoniko taty; amiko izy hanompo ahy hisolo anao eto amin'ny fifatorako noho ny filazantsara;", "14": "nefa raha tsy nahalala izay hevitrao aho aloha, dia tsy ta-hanao na inona na inona, mba tsy ho toy ny amin'ny fanerena ny soa ataonao, fa amin'ny sitrapo.", "15": "Fa izany angaha no nialany vetivety, dia ny mba hanananao azy mandrakizay,", "16": "tsy toy ny andevo intsony anefa, fa efa mihoatra noho ny andevo, dia rahalahy malala, indrindra fa ho ahy, mainka fa ho anao, na amin'ny nofo, na amin'ny Tompo.", "17": "Koa raha ataonao ho namanao aho, dia raiso toa ahy izy.", "18": "Nefa raha nanao izay tsy marina taminao izy, na mitrosa, dia ataovy ho ahy izany;", "19": "izaho Paoly no manoratra izany amin'ny tanako, izaho no handoa izany - nefa tsy lazaiko aminao fa mitrosa ny tenanao amiko aza ianao.", "20": "Eny, ry rahalahy, aoka hanana fifaliana avy aminao ao amin'ny Tompo aho; velombelomy ny foko ao amin'i Kristy.", "21": "Noho ny fahatokiako fa hanaiky ianao no anoratako aminao, ka fantatro fa hanao mihoatra noho izay lazaiko aza ianao.", "22": "Ary izao koa: Mba anamboary trano hitoerako aho; fa manantena aho fa homena anareo noho ny vavaka ataonareo.", "23": "Manao veloma anao Epafra, mpifatotra namako ao amin'i Kristy Jesosy,", "24": "sy Marka sy Aristarko sy Demasy ary Lioka, mpiara-miasa amiko.", "25": "Ho amin'ny fanahinareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika. Amena." } }