mg-bibles
Version:
A package for accessing Bible verses in Malagasy (MG), Diem, King James (KJV), and Louis Segond (APEE) versions
304 lines • 235 kB
JSON
{
"1": {
"1": "Ary tamin'ny andro fahadimy tamin'ny volana fahefatra tamin'ny taona fahatelo-polo, raha teo amin'ny babo teo amoron'ny ony Kebara aho, dia nisokatra ny lanitra, ka nahita fahitana avy tamin'Andriamanitra aho.",
"2": "Tamin'ny andro fahadimy tamin'ny volana (taona fahadimy taorian'ny namaboana an'i Joiakina mpanjaka izany)",
"3": "dia tonga tamin'i Ezekiela mpisorona, zanak'i Bozy, ny tenin'i Jehovah tany amin'ny tanin'ny Kaldeana, teo amoron'ny ony Kebara; ary ny tanan'i Jehovah dia taminy teo.",
"4": "Ary hitako fa, indro, nisy tafio-drivotra avy tany avaratra, dia rahona lehibe sy afo mifandrambondrambona, sady nisy namirapiratra manodidina azy; ary avy teo amin'ny afo dia nisy toy ny volon'ny metaly mamirapiratra.",
"5": "Ary teo aminy koa nisy toa endriky ny zava-manan'aina efatra. Ary ny fikery azy dia hoatra ny endrik'olona.",
"6": "Ary samy nanana tarehy efatra sy elatra efatra avy izy.",
"7": "Ary mahitsy ny tongony; ary ny faladiany dia tahaka ny faladian'ny ombilahy kely; ary mamirapiratra toy ny volon'ny varahina manganohano izy.",
"8": "Ary nisy tanan'olona teo ambanin'ny elany teo amin'ny lafiny efatra, ary samy nanana ny tarehiny sy ny elany avy izy efatra.",
"9": "Nifanendry ny elany; tsy niherika izy raha nandeha, fa samy nizotra tamin'izay hitsiny avy izy rehetra.",
"10": "Ary ny toetry ny tarehiny dia tahaka ny tarehin'olona; ary tamin'ny ankavanany dia samy nanana ny tarehin'ny liona izy efatra, ary tamin'ny ankaviany dia samy nanana ny tarehin'omby, ary samy nanana ny tarehin'ny voromahery koa izy efatra.",
"11": "Ary ny tarehiny sy ny elany dia nisaraka hatreo ambony: samy nisy roa nifanendry tamin'ny an'ny namany, ary ny roa nanarona ny tenany.",
"12": "Dia samy nizotra tamin'izay hitsiny avy izy, ka na aiza na aiza no tian'ny fanahy ho nalehany dia nalehany: tsy niherika izy raha nandeha.",
"13": "Ary tahaka ny vainafo mirehitra ny fijery ny zava-manan'aina, dia tahaka ny fijery ny fanilo; nivoivoy teny anelanelan'ny zava-manan'aina ny afo; ary namirapiratra ny afo, sady nisy helatra nivoaka avy tao aminy.",
"14": "Ary ny zava-manan'aina nifanaresaka nankary nankatsy toy ny helatra mifelopeloka.",
"15": "Ary hitako ny zava-manan'aina, fa, indro, nisy kodia iray avy teo ambonin'ny tany, teo anilan'ny zava-manan'aina teo anoloan'ny tarehiny efatra.",
"16": "Ny tarehin'ny kodia sy ny rafiny dia tahaka ny volon'ny krysolita, ary nitovy endrika izy efatra, ary ny tarehiny sy ny rafiny dia toy ny kodia anatin'ny kodia.",
"17": "Raha nandeha izy, dia nandeha tamin'izay hitsin'ny lafiny efatra: tsy niherika izy raha nandeha.",
"18": "Ary ny boriboriny manodidina azy dia avo sy mahatahotra, sady feno maso manodidina izy efatra.",
"19": "Ary raha nandeha ny zava-manan'aina, dia nandeha teo anilany koa ny kodia; ary raha niainga tsy nipaka tamin'ny tany ireo zava-manan'aina, dia mba niainga koa ny kodia.",
"20": "Na aiza na aiza no tian'ny fanahy ho naleha dia nalehan'ireo koa; fa any koa no mba tian'ny fanahy haleha, ary ny kodia dia niainga teo anilany; fa teo amin'ny kodia ny fanahin'ny zava-manan'aina.",
"21": "Raha nandeha ireny, dia mba nandeha koa ireto; ary raha nijanona ireny, dia mba nijanona koa ireto; ary raha niainga tsy nipaka tamin'ny tany ireny, dia mba niainga teo anilany koa ny kodia; fa ny fanahin'ny zava-manan'aina dia tao amin'ny kodia.",
"22": "Ary teo ambonin'ny lohan'ny zava-manan'aina dia nisy toa endriky ny eloelo, toy ny volon'ny krystaly mahatahotra, mivelatra eo ambonin'ny lohany.",
"23": "Ary nivelatra mahitsy sady nifanendry ny elany teo ambanin'ny eloelo: samy nanan-droa avy izy rehetra, izay nanaronany ny tenany.",
"24": "Ary raha nandeha izy, dia nahare ny fikopakopaky ny elany aho, toy ny firohondrohon'ny rano be, dia tahaka ny feon'ny Tsitoha, dia feo toy ny fireondreon'ny miaramila mitoby;",
"25": "Ary nisy feo avy teo ambonin'ny eloelo izay teo ambonin'ny lohany; nony nijanona izy, dia namihina ny elany.",
"26": "Ary teo ambonin'ny eloelo, izay teo ambonin'ny lohany, dia nisy endriky ny seza fiandrianana mitovy volo amin'ny vato safira; ary teo ambonin'ny endriky ny seza fiandrianana dia nisy hoatra ny endrik'olona.",
"27": "Ary nahita toy ny volon'ny metaly mamirapiratra aho, dia hoatra ny tarehin'ny afo manodidina azy; ary hatramin'ny valahany no ho miakatra ka hatramin'ny valahany no ho midina dia hitako tahaka ny afo, ka nisy namirapiratra manodidina azy.",
"28": "Toy ny tarehin'avana amin'ny rahona amin'ny andro nisy ranon'orana no tarehin'ny namirapiratra manodidina. Izany no fijery ny endriky ny voninahitr'i Jehovah. Ary nony nahita izany aho, dia nikarapoka nihohoka ka nandre ny feon'ny anankiray niteny."
},
"2": {
"1": "Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, mitsangana, fa hiteny aminao Aho.",
"2": "Ary nisy fanahy tonga tao anatiko, raha niteny tamiko Izy, ka nampitsangana ahy, ary reko Izay niteny tamiko.[Na: nody ny aiko]",
"3": "Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, maniraka anao ho amin'ny zanak'Isiraely Aho, eny, ho amin'ireo jentilisa mpiodina, izay efa niodina tamiko; izy sy ny razany dia samy efa nanota tamiko avokoa mandraka androany.",
"4": "Ary ho any amin'ny zanaka mafy handrina sy madi-po no anirahako anao, ary ianao hanao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo.",
"5": "Ary na hihaino izy na tsy hihaino (fa taranaka maditra izy), dia ho fantany fa efa nisy mpaminany teo aminy.",
"6": "Ary ianao, ry zanak'olona, aza matahotra azy, ary aza matahotra ny teniny, na dia voakasiky ny amiana sy ny tsilo aza ianao, ary na dia eo amin'ny maingoka aza no ipetrahanao; eny, aza matahotra ny fiteniny, ary aza mivadi-po noho ny tarehiny, fa taranaka maditra izy. [Na: maditra]",
"7": "Ary holazainao aminy ihany ny amiko, na hihaino izy na tsy hihaino, fa tena naditra izy.",
"8": "Fa ianao kosa, ry zanak'olona, mihainoa izay lazaiko aminao; aza maditra tahaka izany taranaka maditra izany ianao; akafy ny vavanao, ka hano izay afahako anao.",
"9": "Ary hitako fa, indro, nisy tanana nahinjitra tamiko, ary, indro, nisy horonan-taratasy ny aminy.",
"10": "Dia novelariny teo anatrehako izany, ary nisy soratra teo anatiny sy teo ivoany; ary fitomaniana sy fidradradradrana loza no voasoratra teo."
},
"3": {
"1": "Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, hano izay hitanao, eny, hano ity horonan-taratasy ity, dia mandehana, ka mitenena amin'ny taranak'Isiraely.",
"2": "Dia nosokafako ny vavako, ary nafahany ahy izany horonan-taratasy izany.",
"3": "Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, vokiso ny kibonao, ary fenoy ny horonan-taratasy omeko anao ity ny tsinainao. Dia nihinana aho, ka, mamy tao am-bavako toy ny tantely izy.",
"4": "Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, andeha mankany amin'ny taranak'Isiraely, ka lazao aminy ny teniko.",
"5": "Fa tsy ho any amin'ny firenena miboediboedi-piteny sy miboeriboerika no anirahana anao, fa ho any amin'ny taranak'Isiraely ihany;",
"6": "tsy ho amin'ny firenena maro, izay miboediboedi-piteny sy miboeriboerika, ka tsy ho azonao ny teniny, fa raha maniraka anao ho amin'ireto Aho, dia hihaino anao izy.",
"7": "Fa ny taranak'Isiraely dia tsy mety mihaino anao, satria tsy mety mihaino Ahy izy; fa ny taranak'Isiraely rehetra dia mafy handrina sady madi-po.",
"8": "Indro, efa nohamafiko ny tarehinao hiatrika amin'ny tarehiny sy ny handrinao hanandrina ny handriny.",
"9": "Ataoko toy ny diamondra ny handrinao, eny, mafy noho ny vatolampy aza; ka aza matahotra azy na mivadi-po noho ny tarehiny, fa taranaka maditra izy.",
"10": "Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, ny teny rehetra izay holazaiko aminao dia aoka ho mamin'ny fonao, ka henoy amin'ny sofinao.[Heb. raiso amin'ny fonao]",
"11": "Dia mandehana mankany amin'ny babo, dia ireo zanaky ny firenenao ary mitenena aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo na hihaino izy na tsy hihaino.",
"12": "Ary nisy fanahy nanainga ahy, dia nandre horakoraka be teo ivohoko aho nanao hoe: Isaorana anie ny voninahitr'i Jehovah avy amin'ny fitoerany. [Na: rivotra]",
"13": "Ary reko koa ny fikopakopaky ny elatry ny zava-manan'aina, izay nifanendry, sy ny fidilodilotry ny kodia teo anilany sy ny horakoraka be.",
"14": "Ary nisy fanahy nanainga ahy ka nitondra ahy, dia lasa aho sady nirehitra tamin'ny fahavontosan'ny fanahiko; ary ny tanan'i Jehovah dia nahery tao amiko.[Na: rivotra][Heb. mangidy]",
"15": "Dia tonga tany amin'ny babo tany Telabiba aho, dia teo amin'izay nonina teo amoron'ny ony Kebara, teo amin'izay nipetrahany, ary mandritra ny hafitoana dia tahaka ilay torana iny aho.",
"16": "Ary nony afaka ny hafitoana, dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:",
"17": "Ry zanak'olona, efa nataoko mpitily ho an'ny taranak'Isiraely ianao; ka dia hohenoinao ny teny avy amin'ny vavako, ary avy amiko no hananaranao azy.",
"18": "Raha hoy Izaho amin'ny ratsy fanahy: Ho faty tokoa ianao! ary tsy mananatra azy ianao, na miteny hananatra ny ratsy fanahy, hialany amin'ny lalany ratsy hamonjena ny ainy, dia ho faty amin'ny helony ihany ilay ratsy fanahy; nefa hadiniko amin'ny tananao ny rany.",
"19": "Fa raha mananatra ny ratsy fanahy kosa ianao, ka izy no tsy mety miala amin'ny faharatsiany sy amin'ny lalany ratsy, dia ho faty amin'ny helony ihany izy; fa ho voavonjinao ny fanahinao.",
"20": "Ary koa, raha ny marina miala amin'ny fahamarinany ka manao meloka, ary mametraka fahatafintohinana eo anoloany Aho, dia Ho faty izy; eny noho ny tsy nananaranao azy dia ho faty amin'ny fahotany ihany izy, ary ny fahamarinana izay nataony tsy hotsaroana, nefa kosa hadiniko amin'ny tananao ny rany.",
"21": "Fa raha mananatra ny marina mba tsy hanota ianao, ka tsy manota izy, dia ho velona tokoa izy, satria nino anatra; ary voavonjinao koa ny fanahinao.",
"22": "Ary ny tanan'i Jehovah dia tamiko, ary hoy Izy tamiko: Mitsangana, ka mivoaha ho any amin'ny lohasaha, ary any no hitenenako aminao.",
"23": "Dia nitsangana aho ka nivoaka nankany amin'ny lohasaha; ary, indro, nitoetra teo ny voninahitr'i Jehovah tahaka ny voninahitra izay efa hitako teo amoron'ny ony Kebara ihany dia nikarapoka nihohoka aho.",
"24": "Ary nisy fanahy tonga tao anatiko ka nampitsangana ahy; dia niteny tamiko Izy ka nanao hoe: Andeha, mirindrina ao anatin'ny tranonao ianao.",
"25": "Fa ianao, ry zanak'olona, indro, hasiany fatorana, izay hamatorany anao, ka tsy hahazo mivoaka ho ao aminy ianao.",
"26": "Ary hampiraiketiko amin'ny lanilaninao ny lelanao, ka ho moana ianao ary tsy ho mpananatra azy; fa taranaka maditra izy.",
"27": "Fa raha miteny aminao Aho, dia hosokafako ny vavanao, ka dia holazainao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Izay mihaino, dia aoka izy hihaino; ary izay tsy mihaino, dia aoka izy tsy hihaino kosa; fa taranaka maditra izy."
},
"4": {
"1": "Ary ianao, ry zanak'olona, maka kapila tanimanga, ary apetraho eo anoloanao, dia manorata sarin-tanana eo aminy, dia sarin'i Jerosalema;",
"2": "ary ataovy fahirano izy, ka manaova tilikambo hamelezana azy, ary manandrata tovon-tany manodidina azy; ary asio toby hamelezana azy, ary asio lohondry vy fandravana manodidina azy.",
"3": "Ary maka lapoely, ka ataovy manda vy eo anelanelanao sy ny tanana, dia banjino tsara io, ary aoka hatao fahirano, eny, aoka hataonao fahirano io. Famantarana ho amin'ny taranak'Isiraely izany.",
"4": "Ary ataovy ambany mandry ny ilanao ankavia, ka ataovy eo aminy ny fahotan'ny taranak'Isiraely; koa araka ny isan'ny andro handrianao toy izany no hitondranao ny helony.",
"5": "Fa Izaho dia manao fetr'andro ho anao mitovy amin'ny taonan'ny helony, dia sivi-folo amby telon-jato andro, ka ho entinao ny heloky ny taranak'Isiraely.",
"6": "Ary rehefa tapitrao ireo, dia ataovy ambany mandry kosa ny ilanao ankavanana, ary aoka hitondra ny heloky ny taranak'i Joda efa-polo andro ianao; ny indray andro no nataoko solon'ny herintaona ho anao.",
"7": "Dia banjino tsara io fahirano an'i Jerosalema io, ary aoka hiseho sandry ianao ka haminany hamely azy.",
"8": "Ary, indro, hafatotro ianao ka tsy hahavadi-mandry ambara-pahatapitrao ny andron'ny fahiranonao.",
"9": "Ary mangala vary tritika sy vary hordea sy tsaramaso sy voanemba sy ampemby sy spelta ianao, ary ataovy am-bilia iray ireo, ka anaovy mofo ho anao; araka ny isan'ny andro izay handrianao amin'ny ilanao, dia sivi-folo amby telon-jato andro, no hihinananao azy. [Heb. nangidy]",
"10": "Ary an-danjany no hihinananao ny haninao, dia roa-polo sekely isan'andro; asio elanelany ny fihinanao azy.",
"11": "Ary rano afatra no hosotroinao, dia ampahenin'ny hina; asio elanelany koa ny fisotronao azy.",
"12": "Ary hatao toy ny mofo vary hordea no ho fihinanao azy, ary diky no hataonao kitay hanendasanao azy eo imasony.",
"13": "Ary hoy Jehovah: Toy izany no hihinanan'ny zanak'Isiraely ny mofony voaloto any amin'ny firenena izay handroahako azy.",
"14": "Dia hoy izaho: Indrisy Jehovah Tompo o, indro tsy voaloto ny fanahiko; fa hatry ny fony aho mbola tanora ka mandraka ankehitriny dia tsy mba nihinana izay fatin-javatra na izay noviraviraim-biby akory aho; ary tsy mbola nikasika ny vavako akory izay nofo fahavetavetana.",
"15": "Dia hoy Izy tamiko: Indro, tain'omby no omeko anao hisolo ny dity, ka izany no hataonao kitay hanendasanao ny mofonao.",
"16": "Ary hoy koa Izy tamiko: Ry zanak'olona, indro, hotapahiko any Jerosalema ny mofo, tohan'aina, ka an-danjany amin'ny fanahiana no hihinanany mofo; ary rano afatra no hosotroiny amin'ny fahatahorana.",
"17": "Ka dia ho mosare-mofo sy rano izy, ary samy ho raiki-tahotra sady hihalevona noho ny helony."
},
"5": {
"1": "Ary ianao, ry zanak'olona, dia maka sabatra maranitra ho toy ny harezan'ny mpanala volombava, ka anarato ny lohanao sy ny somotrao, dia maka mizana, ka zarao ny volo.",
"2": "Ny ampahatelony dia dory amin'ny afo ao an-tanana, rehefa tapitra ny andron'ny fahirano; ary alao koa ny ampahatelony, ka asio ny sabatra manodidina; ary ny ampahatelony dia aelezo ho amin'ny rivotra; ary hanatsoaka sabatra ho enti-manenjika azy Aho.",
"3": "Ary analao vitsivitsy ireo, ka fonosy ao amin'ny sisin-dambanao.",
"4": "Ary ireny indray dia mbola analao koa, dia atsipazo eo anaty afo izany, ka dory eo fa hisy afo hivoaka avy aminy ho amin'ny taranak'Isiraely rehetra.",
"5": "Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ity Jerosalema ity dia nataoko eo afovoan'ny jentilisa, ka voahodidin'ireny tany ireny izy.",
"6": "Ary nanao ditra tsy nanaraka ny fitsipiko sy ny didiko izy, fa nanao ratsy mihoatra noho ny jentilisa sy ny tany manodidina azy; eny, nanao ditra tsy nanaraka ny fitsipiko sy ny didiko izy ka tsy nandeha araka izany.",
"7": "Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Satria ianareo nitabataba mihoatra noho ny firenena manodidina anareo ka tsy nandeha araka ny didiko na nanaraka ny fitsipiko sady tsy nanaraka ny fitsipiky ny firenena izay manodidina anareo aza,",
"8": "dia izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, Izaho dia Izaho no mamely anao ka hanao fitsarana eo aminao eo imason'ny firenena.",
"9": "Ary noho ny fahavetavetanao rehetra dia hataoko aminao izay tsy mbola nataoko, sady tsy hataoko tahaka izany intsony.",
"10": "Koa ny ray dia hihinana ny zanany eo aminao, ary ny zanaka kosa hihinana ny rainy; ary hanao fitsarana eo aminao Aho, ary izay sisa rehetra aminao dia haeliko ho amin'ny rivotra rehetra;",
"11": "eny, raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, noho ny nandotoanao ny fitoerako masina tamin'ny zava-dratsinao rehetra sy tamin'ny fahavetavetanao rehetra, Izaho kosa dia hampiala ny masoko, fa tsy hiantra; eny, Izaho dia tsy hamindra fo.",
"12": "Ny ampahatelony eo aminao dia ho fatin'ny areti-mandringana na ho ringan'ny mosary eo aminao; ary ny ampahatelony dia ho lavon'ny sabatra manodidina anao; ary ny ampahatelony dia haeliko ho amin'ny rivotra rehetra, ary hanatsoaka sabatra ho entiko manenjika azy Aho.",
"13": "Ary ho tanteraka amin'izany ny fahatezerako, sady hampariko aminy ny fahatezerako, ka hialako fo izy; dia ho fantany fa Izaho Jehovah no niteny izany tamin'ny fahasaro-piaroko, rehefa notanterahiko taminy ny fahatezerako.",
"14": "Ary hataoko lao sy fandatsa eny amin'ny firenena izay manodidina anao ianao eo imason'izay rehetra mandalo.",
"15": "Ka dia hisy latsa sy fitenenan-dratsy sy famaizana sy figagana avy amin'ny jentilisa manodidina anao, rehefa manao fitsarana aminao Aho amin'ny fahatezerana sy ny fahavinirana ary amin'ny fananarana mafy Izaho Jehovah no niteny izany",
"16": "raha alefako ho fandringanana azy ny mosary dia ny zana-tsip�ka ratsy izay halefako handringana anareo, sady hampitomboiko ny mosary eo aminareo, ka hotapahiko ny mofonareo, izay tohan'aina.",
"17": "Dia haterako mosary sy biby masiaka eo aminareo, izay hahalany fara anareo; ary handroso eo aminao ny areti-mandringana sy ny fandatsahan-dra, ary hataoko mihatra aminao ny sabatra. Izaho Jehovah no niteny izany"
},
"6": {
"1": "Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:",
"2": "Ry zanak'olona, manandrifia ny tendrombohitry ny Isiraely, ary maminania ny hamelezana azy,",
"3": "ka ataovy hoe: Ry tendrombohitry ny Isiraely o. Mihainoa ny tenin'i Jehovah Tompo: Izao no lazain'i Jehovah Tompo amin'ny tendrombohitra sy ny havoana, ary ny lohasahan-driaka sy ny lohasaha: Indro, Izaho no hahatonga sabatra hamely anareo, ary horavako ny fitoerana avonareo.",
"4": "Ary hokoroina ny alitaranareo, ary hosimbana ny tsangan-kazonareo ho an'ny masoandro; ary hataoko mitsitra eo anoloan'ny sampinareo ny fatinareo;[Na: tsangam-batonareo]",
"5": "Ary ny fatin'ny zanak'Isiraely hataoko eo anoloan'ny sampiny; Ary ny taolanareo dia haeliko eny manodidina ny alitaranareo eny.",
"6": "Any amin'ny fonenanareo rehetra dia ho lao ny tanana, Ary ho rava ny fitoerana avo, mba ho rava sy lao koa ny alitaranareo, dia hotapatapahina sy hofoanana ny sampinareo, ary hokapaina ny tsangan-kazonareo ho an'ny masoandro, Ka dia holevonina ny asanareo.[Na: tsangam-batonareo]",
"7": "Ary hisy faty hiampatrampatra eo aminareo; Ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.",
"8": "Nefa hamelako hisy sisa ihany ianareo, fa hisy ho afaka amin'ny sabatra any amin'ny jentilisa, Rehefa voaely ho any amin'ny tany samy hafa ianareo.",
"9": "Ary izay afaka aminareo dia hahatsiaro Ahy any amin'ny jentilisa izay hitondrana azy ho babo, rehefa voatorotoroko ny fony mijangajanga, izay efa niala tamiko, sy ny masony, izay mijangajanga manaraka ny sampiny, ary haharikoriko azy ny tenany noho ny ratsy izay efa nataony, dia ny fahavetavetany rehetra;",
"10": "Ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, ary tsy foana ny nilazako fa hahatonga izany loza izany aminy Aho.",
"11": "Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Mameleza amin'ny tananao ianao, ary mitotoa amin'ny tongotrao, ka manaova hoe: Indrisy! ny fahavetavetana ratsy rehetra ataon'ny taranak'Isiraely, izay ho lavon'ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana!",
"12": "Ny lavitra ho fatin'ny areti-mandringana, ny akaiky ho lavon'ny sabatra, ary izay sisa sy izay voaro dia ho faty mosary; Ka dia hotanterahiko aminy ny fahatezerako.",
"13": "Dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, Rehefa miampatrampatra eny amin'ny sampy manodidina ny alitarany ny voavono ao aminy, eny amin'ny havoana andrandraina rehetra, eny amin'ny tendrombohitra rehetra sy eny ambanin'ny hazo maitso rehetra sy eny ambanin'ny terebinta misandrahaka rehetra, dia eny amin'izay efa nanaterany hanitra ankasitrahana tamin'ny sampiny rehetra;",
"14": "Hahinjitro aminy ny tanako, ary ny tany any amin'ny fonenany rehetra dia hataoko lao sy foana mihoatra noho ny efitr'i Dibla; Ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah."
},
"7": {
"1": "Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:",
"2": "Ary ianao, ry zanak'olona, dia izao no lazain'i Jehovah Tompo amin'ny tanin'ny Isiraely: Injao ny farany! Eny, mby akaiky ny farany ho amin'ny vazan-tany efatra.",
"3": "Ankehitriny dia mby akaikinao ny farany, ary halefako aminao ny fahatezerako, dia hotsaraiko araka ny alehanao ianao, ka hatambesatro aminao ny fahavetavetanao rehetra.",
"4": "Ary tsy hiantra anao ny masoko, sady tsy hamindra fo Aho; Fa hatambesatro aminao ny lalanao, ary ny fahavetavetanao dia ho eo aminao, ary dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.",
"5": "Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Injao! avy ny loza, dia loza izay tsy misy toa azy![Heb. loza iray]",
"6": "Injao ny farany! Eny, mby akaiky ny farany; Mifoha hamely anao iny, indro, efa mby akaiky iny.",
"7": "Mby akaiky ny anjaranao, ry mponina amin'ny tany; Mby akaiky ny fotoana, efa antomotra ny andro, dia akoran'ady, fa tsy fihobiana, eny an-tendrombohitra .",
"8": "Ary vetivety foana dia hampidiniko aminao ny fahatezerako, Ary hotanterahiko aminao ny fahavinirako; ka hotsaraiko araka ny alehanao ianao, ary hatambesatro aminao ny fahavetavetanao.",
"9": "Ary tsy hiantra anao ny masoko, sady tsy hamindra fo Aho; Hatambesatro aminao ny lalanao, ary ny fahavetavetanao dia ho eo aminao, ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no mamely.",
"10": "Indro ny andro, indro mby akaiky iny! Miseho ny anjaranao. Mamonjy ny tsorakazo, manorobona ny avonavona!",
"11": "Ny fanaovana an-keriny dia mitsangana ho tsorakazo hamelezana ny faharatsiana; tsy hisy sisa intsony aminy, na ny hamaroany, na ny hareny, na ny zava-mendrika eo aminy.[Na: ny hamaroany mitabataba sy mireondreona]",
"12": "Mby akaiky ny fotoana, antomotra ny andro; aoka tsy hifaly ny mpividy, ary aoka halahelo ny mpivarotra; Fa iharan'ny fahatezerana mirehitra ny hamaroany rehetra.",
"13": "Fa ny mpivarotra tsy hifodian'izay efa lafony, na dia mbola isan'ny velona aza izy; Fa ny fahitana ny amin'ny hanjo ny hamaroanay dia tsy hitsoaka, ary tsy hisy ampahery ny ainy amin'ny helony.",
"14": "Efa nitsoka ny trompetra izy ka nahavonona ny zavatra rehetra, nefa tsy misy mankany amin'ny ady, satria iharan'ny fahatezerako mirehitra ny hamaroany rehetra.",
"15": "Ny sabatra no eny ivelany, ary ny areti-mandringana sy ny mosary kosa no ao anatiny; Izay any an-tsaha dia ho fatin-tsabatra, ary izay any an-tanana kosa dia ho levon'ny mosary sy ny areti-mandringana.",
"16": "Ary na dia misy afa-mandositra aza, dia ho any an-tendrombohitra izy ka ho toy ny voromailala an-dohasaha: Izy rehetra dia samy hitoloko avokoa noho ny helony.",
"17": "Hiraviravy ny tanana rehetra, ary ho rano ny lohalika rehetra;",
"18": "Hisikina lamba fisaonana koa izy, ka ho menatra ny tava rehetra.[Heb. lamba malailay]",
"19": "Ny volafotsiny dia harianay eny an-dalambe, ary ny volamenany hataony ho maharikoriko, ny volafotsiny sy ny volamenany tsy hahavonjy azy amin'ny andro fahatezeran'ny Jehovah Tsy hahavoky ny fanahiny na hahafeno ny kibony izany, fa tonga fahatafintohinana mahameloka azy.",
"20": "Fa ny firavany tsara tarehy dia nataony ho rehareha sady nentiny nanao ireo sary fahavetavetany, dia ireo zava-dratsiny, koa izany no efa nanaovako ireny ho zava-maharikoriko azy.",
"21": "Ary hatolotro ho babo eny an-tanan'ny hafa firenena izy, Eny, ho babo ho an'ny ratsy fanahy amin'ny tany, ka holotoin'ireny izy.",
"22": "Dia hiamboho azy koa Aho, ka holotoiny ny rakitro; Fa hiditra ao aminy ny mpandroba ka handoto azy.",
"23": "Manefa gadra, fa efa feno fitsarana ny amin'ny fandatsahan-dra ny tany, ary feno fampahoriana ny tanana.",
"24": "Ka dia hitondra izay jentilisa ratsy indrindra Aho, ary ho lasan'ireny ny tranony; dia hatsahatro ny avonavon'ny mahery, ary ho lotoina ny fitoerany masina.",
"25": "Ho avy ny fandringanana; ary hitady fiadanana izy, fa tsy hisy.[Na: fampangovitana]",
"26": "Mifanontona ny fandravana, ary mifanindry ny filazan-doza; Dia manontany fahitana amin'ny mpaminany izy, fa tsy misy lalana intsony amin'ny mpisorona, na fahendrena amin'ny anti-panahy.",
"27": "Hitomany ny mpanjaka, eny, hitafy fahatalanjonana ny andriana, ary hangovitra ny tanan'ny vahoaka; Araka ny alehany no hataoko aminy, ary hotsaroiko araka ny fitsarana nataony izy, ka dia fantany fa Izaho no Jehovah."
},
"8": {
"1": "Ary tamin'ny andro fahadimy tamin'ny volana fahenina tamin'ny taona fahenina, raha nipetraka tao an-tranoko aho, ary nipetraka teo anatrehako ny loholon'ny Joda, dia nilatsaka tamiko ny tanan'i Jehovah Tompo.",
"2": "Ary hitako fa, indro, nisy nitarehin'afo; hatramin'ny valahany no ho midina dia afo; ary hatramin'ny valahany no ho miakatra kosa dia nitarehin-java-mamirapiratra dia toy ny volon'ny metaly mamirapiratra.",
"3": "Ary nisy nitarehin-tanana nahinjiny, ka noraisiny tamin'ny voloko aho, dia nisy fanahy nanainga ahy ho eny anelanelan'ny tany sy ny lanitra ka nitondra ahy ho any Jerosalema tamin'ny fahitana avy amin'Andriamanitra, ho eo amin'ny vavahadin'ny kianja anatiny, izay manatrika ny avaratra, dia ilay nisy ny sarin-javatra fampahasaro-piaro, dia ilay mampahasaro-piaro.[Na: rivotra]",
"4": "Ary, indro, teo ny voninahitr'Andriamanitry ny Isiraely tahaka ilay fahitana efa hitako teo amin'ny lohasaha.",
"5": "Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, atopazy kely amin'ny lalana mianavaratra ny masonao. Dia natopiko tamin'ny lalana mianavaratra ny masoko ka, indro, eny avaratry ny vavahadin'ny alitara no nisy ilay sarin-javatra fampahasaro-piaro teo amin'ny fidirana.",
"6": "Dia hoy koa Izy tamiko: Ry zanak'olona, hitanao va izay ataon'ireo, dia ny fahavetavetana lehibe izay ataon'ny taranak'Isiraely eto ka mampanalavitra Ahy amin'ny fitoerako masina? Mbola hahita fahavetavetana lehibe koa ianao.",
"7": "Dia nentiny ho eo amin'ny vavahadin'ny kianja aho; ary hitako fa, indro, nisy loaka teo amin'ny ampiantany.",
"8": "Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, loahy ny ampiantany; dia noloahako ny ampiantany ka, indro, nisy varavarana.",
"9": "Ary hoy Izy tamiko: Midira, ka jereo ny fahavetavetana lehibe ataony eto.",
"10": "Dia niditra aho ka nahita, ary indreo, nisy sarin'ny biby mandady sy mikisaka rehetra sy ny biby hafa, dia izay fahavetavetana, sy ny sampy rehetra an'ny taranak'Isiraely, voasoratra teo amin'ny rindrina manodidina.",
"11": "Ary nisy olona fito-polo lahy, isan'ny loholon'ny taranak'Isiraely, nitsangana teo anoloan'ireo, ary Jazania, zanak'i Safana, nitsangana teo afovoany, samy nitondra ny loviany fandoroana ditin-kazo manitra teny an-tanany avy, ary ny setroky ny ditin-kazo manitra dia nidonata.",
"12": "Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona efa hitanao va ny ataon'ny loholon'ny taranak'Isiraely amin'ny maizina, dia samy ao amin'ny efi-tranony misy sary? Fa hoy izy: Jehovah tsy mahita anay; efa nahafoy ny tany Izy.[Na: tsara soratra]",
"13": "Ary hoy koa Izy tamiko: Mbola hahita fahavetavetana lehibe izay ataony koa ianao.",
"14": "Dia nentiny ho eo anoloan'ny vavahadin'ny tranon'i Jehovah, izay manatrika ny avaratra aho; ary, indreo, nisy vehivavy nipetraka teo, nitomany an'i Tamoza.",
"15": "Dia hoy Izy tamiko: Hitanao va izany ry zanak'olona? Mbola hahita fahavetavetana lehibe noho ireto koa ianao.",
"16": "Dia nentiny ho eo amin'ny kianja anatiny amin'ny tranon'i Jehovah aho, ary, indro, teo am-baravaran'ny tempolin'i Jehovah, dia teo anelanelan'ny lavarangana fidirana sy ny alitara, dia nisy tokony ho dimy amby roa-polo lahy niamboho ny tempolin'i Jehovah ka nanatrika ny atsinanana; ary ireo dia niankohoka manandrify ny masoandro, nanatrika ny atsinanana.",
"17": "Dia hoy Izy tamiko: Hitanao va izany, ry zanak'olona? Moa ataon'ny taranak'i Joda ho kely loatra va ny nanaovany ny fahavetavetana izay ataony eto, no fenoiny fampahoriana koa ny tany, ka mampahatezitra Ahy lalandava izy; ary indro izy nanainga ny rantsan-kazo ho amin'ny orony.",
"18": "Ary Izaho kosa dia hamely amin'ny fahatezerako; tsy hiantra ny masoko, sady tsy hamindra fo Aho; ary na dia mitaraina mafy eo an-tsofiko aza izy, dia tsy hihaino azy Aho."
},
"9": {
"1": "Ary niantso tamin'ny feo mahery teo anatrehako Jehovah ka nanao hoe: Manakeke ianareo, ry mpiambina ny tanana, ka samia mitondra ny fiadiany eny an-tanany avy ho enti-mandringana.",
"2": "Ary, indreo, nisy lehilahy enina avy tamin'ny lalana mankamin'ny vavahady ambony, izay manatrika ny avaratra, sady samy nitondra ny fiasany fanorotoroana teny an-tanany avy izy; ary ny anankiray tamin'ireo dia nitafy rongony fotsy, sady nisy fitoeran-dranomaintin'ny mpanoratra teo am-balahany; ary niditra izy ireo ka nitsangana teo anilan'ny alitara varahina.",
"3": "Ary ny voninahitr'Andriamanitry ny Isiraely efa niakatra niala teo amin'ny kerobima, izay nitoerany, ho eo amin'ny tokonam-baravaran'ny trano, ary Izy niantso ilay olona nitafy rongony, totsy izay nisy fitoeran-dranomaintin'ny mpanoratra teo am-balahany.",
"4": "Ary hoy Jehovah taminy: Mandehana mamaky ny tanana, dia Jerosalema, ka asio marika ny handrin'ny olona izay misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra atao eo aminy.[Heb. marika mitanam-bokovoko]",
"5": "Ary reko Izy nanao tamin'ny sasany hoe: Mandehana manaraka azy ianareo hamaky ny tanana, ka mameleza; aoka tsy hamindra fo aminy ny masonareo, ary aza ananana antra izy,",
"6": "Fa na lahy antitra, na zatovo, na virijina, na zaza madinika, na vehivavy, dia aringano avokoa; fa izay olona misy ilay marika ihany no aza kasihina ary atombohy hatreo amin'ny fitoerako masina izany. Dia nanomboka tamin'ny lahy antitra izay teo anoloan'ny trano ireo.",
"7": "Ary hoy Izy taminy: Lotoy ny trano, ary fenoy faty ny kianja; dia mivoaha ianareo. Ary dia nivoaka izy ka namely ny tao an-tanana.",
"8": "Ary raha mbola namely izy, ary izaho ihany no sisa teo, dia niankohoka aho ka nitaraina hoe: Indrisy! Jehovah Tompo o! haringanao va ny sisa rehetra amin'ny Isiraely amin'izao ampidinanao ny fahatezeranao amin'i Jerosalema izao?",
"9": "Dia hoy Izy tamiko: Lehibe dia lehibe ny heloky ny taranak'ny Isiraely sy ny Joda, ary feno ran'olona nalatsaka ny tany, sady feno fitsarana miangatra ny tanana, satria hoy izy: Jehovah efa nahafoy ny tany ary Jehovah tsy mahita.",
"10": "Ary Izaho kosa, dia tsy hiantra ny masoko, sady tsy hamindra fo aho, fa hatsingeriko ho eo an-dohany ny nataony.[Heb. lalany]",
"11": "Ary, indro, ralehilahy, ilay nitafy rongony fotsy sady nisy fitoeran-dranomainty teo am-balahany, dia nitondra teny niverina nanao hoe: Efa vitako izay nandidianao ahy."
},
"10": {
"1": "Ary hitako fa, indro, teo ambonin'ny eloelo izay teo ambonin'ny lohan'ny kerobima dia nisy tahaka ny vato safira; tahaka ny endriky ny seza fiandrianana no fijery azy; ary Jehovah niseho teo amboniny. [Heb. Izy]",
"2": "Ary niteny tamin-dralehilahy nitafy rongony fotsy Izy nanao hoe: Midira eo anelanelan'ny kodia, dia eo ambanin'ny kerobima, ary fenoy vain'afo avy eo anelanelan'ny kerobima ny tananao roa, ka afafazo amin'ny tanana izany. Dia niditra teo imasoko izy.",
"3": "Ary ny kerobima nitsangana teo amin'ny ankavanan'ny trano, raha niditra ralehilahy; ary feno ilay rahona ny kianja anatiny.",
"4": "Dia niakatra niala teo amin'ny kerobima ny voninahitr'i Jehovah ho eo amin'ny tokonam-baravaran'ny trano; ary feno ilay rahona ny trano, ary ny kianja dia feno ny famirapiratan'ny voninahitr'i Jehovah.",
"5": "Ary ny fikopakopaky ny elatry ny kerobima dia re hatrany amin'ny kianja ivelany, toy ny feon'Andriamanitra Tsitoha, raha miteny.",
"6": "Ary rehefa nodidiany ralehilahy nitafy rongony fotsy, nataony hoe: Manala afo avy eo analenelan'ny kodia, eo anelanelan'ny kerobima, dia niditra izy ka nitsangana teo anilan'ny kodia.",
"7": "Ary ny kerobima anankiray naninjitra ny tanany avy teo anelanelan'ny kerobima, tamin'ny afo Izay teo anelanelan'ny kerobima, dia nangalany ka nataony teny amin'ny tanan-droan'ilay nitafy rongony fotsy; ary rehefa nandray izany ralehilahy, dia nivoaka.",
"8": "Ary nisy nitarehin-tanan'olona niseho teo ambanin'ny elatry ny kerobima.",
"9": "Ary hitako fa, indreo, nisy kodia efatra teo anilan'ny kerobima, dia kodia iray avy teo anilan'ny isan-kerobima; ary ny tarehin'ny kodia dia toy ny volon'ny vato krysolita.",
"10": "Ary izy efatra dia nitovy tarehy, toy ny kodia anatin'ny kodia.",
"11": "Raha nandeha izy, dia nandeha tamin'ny hitsin'ny lafiny efatra; tsy niherika izy raha nandeha, fa tamin'ny hitsin'izay natrehin'ny lohany ihany no nalehany; tsy niherika izy raha nandeha.",
"12": "Ary feno maso manodidina ny tenany rehetra sy ny lamosiny sy ny tanany sy ny elany mbamin'ny kodia; izy efatra dia samy nisy kodia avokoa.[Heb. nofony]",
"13": "Ny amin'ny kodia dia reko nisy niantso azy hoe: Ry kodia![Na: Mikodiadiava!]",
"14": "Ary samy nanana tarehy efatra avy izy: ny tarehin'ny voalohany dia nitarehin-kerobima, ary ny tarehin'ny faharoa dia nitarehin'olona, ary ny fahatelo nitarehin-diona, ary ny fahefatra nitarehim-boromahery.",
"15": "Ary niakatra ny kerobima. Izany dia ilay zava-manan'aina hitako teo amoron'ny ony Kebara ihany.",
"16": "Ary raha nandeha ny kerobima, dia mba nandeha teo anilany koa ny kodia; ary raha nasandratry ny kerobima ny elany hiainga tsy hipaka amin'ny tany, dia tsy nisaraka taminy koa ny kodia.",
"17": "Raha nijanona izy, dia mba nijanona koa ireo, ary raha niainga izy, dia mba niainga koa ireo: fa ny fanahin'ny zava-manan'aina no tao aminy.",
"18": "Dia niala avy teo ambonin'ny tokonambaravaran'ny trano ny voninahitr'i Jehovah ka nijanona teo ambonin'ny kerobima.",
"19": "Ary nasandratry ny kerobima ny elany, ka niainga tsy nipaka tamin'ny tany teo imasoko izy, raha nivoaka, ary teo anilany ny kodia ary samy nijanona teo anoloan'ny vavahady atsinanana amin'ny tranon'i Jehovah izy ireo; ary ny voninahitr'Andriamanitry ny Isiraely no teo amboniny.",
"20": "Izany dia ilay zava-manan'aina hitako teo ambanin'Andriamanitry ny Isiraely teo amoron'ny ony Kebara; ary fantatro fa kerobima ireo.",
"21": "Samy nanana tarehy efatra avy izy, sady samy nanana elatra efatra avy koa; ary nisy nitarehin-tanan'olona teo ambanin'ny elany.",
"22": "Ary ny endriky ny tarehiny dia nitovy tamin'ilay efa hitako teo amoron'ny ony Kebara ihany, dia ny endriny sy ny tenany; ary ny hitsin'ny tavany no nalehany."
},
"11": {
"1": "Ary nisy fanahy nanainga ahy koa, dia nitondra ahy ho eo amin'ny vavahady atsinanana amin'ny tranon'i Jehovah, dia ilay manatrika ny atsinanana; ary, indreo, nisy olona dimy amby roa-polo lahy teo anoloan'ny vavahady; dia hitako teo amin'ireo Jazania, zanak'i Azora, sy Pelatia, zanak'i Benaia, lehiben'ny vahoaka.[Na: rivotra]",
"2": "Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, ireo no lehilahy izay mamoron-tsain-dratsy sady manolo-tsain-dratsy eto amin'ity tanana ity,",
"3": "dia izay manao hoe: Mbola lavitra ny hanaovana trano; ity tanana ity no vilany, ary isika no hena;",
"4": "ka dia maminania hamely azy, eny, maminania, ry zanak'olona.",
"5": "Ary tonga tao amiko ny Fanahin'i Jehovah, ka hoy Izy tamiko: Lazao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Izany no fiteninareo, ry taranak'Isiraely, ary fantatro izay rehetra ao an-tsainareo.",
"6": "Hianareo efa nahamaro ny voavononareo teto amin'ity tanana ity, ary ny lalambeny efa nofenoinareo faty.",
"7": "Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny voavononareo, izay nataonareo tao aminy, no hena, ary ity tanana ity no vilany; nefa havoaka avy ao aminy ianareo.",
"8": "Natahotra ny sabatra ianareo; nefa hataoko mahatratra anareo ihany ny sabatra, hoy Jehovah Tompo.",
"9": "Ary havoakako avy ato aminy ianareo ka hatolotro ho eny an-tanan'ny hafa firenena, ary hanao fitsarana aminareo Aho.",
"10": "Ho lavon'ny sabatra ianareo; any amin'ny sisin-tanin'ny Isiraely no hitsarako anareo, ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.",
"11": "Ity tanana ity tsy ho vilaninareo, ary ianareo tsy ho hena ato anatiny; fa any amin'ny sisin-tanin'ny Isiraely no hitsarako anareo",
"12": "ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, satria tsy nandeha araka ny lalako ianareo na nanaraka ny fitsipiko, fa araka ny fitsipiky ny jentilisa izay manodidina anareo ihany no nataonareo.",
"13": "Ary raha mbola naminany aho, dia maty Pelatia, zanak'i Benaia. Dia niankohoka aho ka nitaraina tamin'ny feo mahery nanao hoe: Indrisy! Jehovah Tompo o, holevoninao va ny hany sisa amin'ny Isiraely?",
"14": "Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:",
"15": "Ry zanak'olona, ny rahalahinao, eny, ny rahalahinao no andraikitrao, dia ny taranak'Isiraely rehetra, izay nitenenan'ny mponina any Jerosalema hoe: Manalavira an'i Jehovah; izahay no nomena ity tany ity ho lova.[Na: iray firazanana aminao]",
"16": "Koa lazao hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Na dia nampandehaniko lavitra any amin'ny jentilisa aza izy ka naeliko tany amin'ny tany maro, dia ho fitoerana masina ho azy vetivety Aho any amin'ny tany izay alehany.[Na: kely ho azy]",
"17": "Koa lazao hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Hovoriko avy any amin'ny firenena ianareo, ary hangoniko avy any amin'ny tany izay nampielezana anareo, ka homeko ny tanin'ny Isiraely ianareo.",
"18": "Ary ho tonga ao izy ka hanaisotra ny zava-dratsiny rehetra sy ny fahavetavetany rehetra.",
"19": "Dia homeko fo iray izy, ary hasiako fanahy vaovao ao anatinareo; ary hesoriko amin'ny nofony ny fo vato, ka homeko fo nofo izy,",
"20": "mba handehanany araka ny didiko sy hitandremany ny fitsipiko ka hanarahany izany, ary izy dia ho oloko, ary Izaho ho Andriamaniny.",
"21": "Fa ny amin'izay manana fo manina ny zava-dratsiny sy ny fahavetavetany, dia hatsingeriko ho eo an-dohany ihany ny nataony, hoy Jehovah Tompo.[Heb. manaraka ny fon'ny zava-dratsiny][Heb. lalana]",
"22": "Dia nasandratry ny kerobima ny elany sy ny kodia teo anilany; ary ny voninahitr'Andriamanitry ny Isiraely no teo amboniny.",
"23": "Ary ny voninahitr'i Jehovah niakatra niala tao amin'ny tanana ka nijanona teo an-tampon'ny tendrombohitra atsinanan'ny tanana.",
"24": "Dia nisy fanahy nanainga ahy tamin'ny fahitana, dia tamin'ny Fanahin'Andriamanitra, ka nitondra ahy ho any Kaldea ho any amin'ny babo. Dia niakatra niala tamiko ny fahitana izay efa hitako.[Na: rivotra]",
"25": "Ary nolazaiko tamin'ny babo ny teny rehetra izay nasehon'i Jehovah ahy."
},
"12": {
"1": "Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:",
"2": "Ry zanak'olona, ianao monina eto amin'ny taranaka maditra, izay mana-maso hahitana, nefa tsy mahita, ary manan-tsofina handrenesana, nefa tsy mandre fa taranaka maditra izy.",
"3": "Koa ianao, ry zanak'olona, mifeheza entana handeha hifindra ho any amin'ny fahababoana, ka miainga antoandro eo imasony; ary miala eo imasony eo amin'izay itoeranao ho any amin'ny fitoerana hafa; angamba mba ho fantany fa taranaka maditra izy.",
"4": "Dia havoakanao antoandro eo imasony ny entanao, toy ny entan'ny olona handeha ho any amin'ny fahababoana; fa ny tenanao kosa dia hivoaka hariva eo imasony toy ny fivoaky ny handeha ho any amin'ny fahababoana.",
"5": "Boroboahy eo imasony ny manda, ka ao no amoahy ny entanao.",
"6": "Ataovy an-tsoroka eo imasony no fitondranao azy, ka ento mivoaka, rehefa maizina dia maizina ny andro; sarony ny tavanao mba tsy hahitanao ny tany; fa efa nataoko ho famantarana mahagaga ho an'ny taranak'Isiraely ianao.",
"7": "Dia nanao araka izay efa nandidiana ahy aho, ka nentiko nivoaka antoandro ny entako, toy py entan'ny olona handeha ho any amin'ny fahababoana, ary nony hariva dia noboroboahako tamin'ny tanako ny manda, ka nony efa maizina dia maizina ny andro, dia nentiko nivoaka izany ka teny an-tsoroka no nitondrako azy teo imasony.",
"8": "Ary nony maraina dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:",
"9": "Ry zanak'olona, moa ny taranak'Isiraely, izay taranaka maditra, tsy manontany aminao hoe va: Inona izao ataonao izao?",
"10": "Ambarao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ity faminaniana ny loza ity dia ho amin'ny mpanjakan'i Jerosalema sy ny taranak'Isiraely rehetra izay ao aminy.",
"11": "Lazao hoe: Izaho dia famantarana mahagaga ho anareo, koa tahaka izay ataoko no hatao amin'ireo; hifindra sy ho lasan-ko babo izy.",
"12": "Ary ny mpanjaka, izay ao aminy dia hitondra ny entany eny an-tsorony nony efa maizina dia maizina ny andro ka hivoaka; hoboroboahan'ny olona ny manda hamoahana azy; hanarona ny tavany izy mba tsy ho hitan'ny masony ny tany.",
"13": "Ary ny fandrika haratoko dia hovelariko aminy, ka ho voan'ny fandrika izy; dia ho entiko any Babylona any amin'ny tanin'ny Kaldeana izy, ary tsy hahita izany, nefa ho faty any ihany.",
"14": "Ary izay rehetra manodidina azy, dia ny mpanampy azy sy ny miaramilany rehetra, haeliko ho amin'ny rivotra rehetra, sady hanatsoaka sabatra ho enti-manenjika azy Aho.",
"15": "Ary dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, raha ahahako any amin'ny jentilisa sy ampieleziko any amin'ny tany samy hafa izy.",
"16": "Nefa hamelako olom-bitsy ihany izy ho sisa tsy ho ringan'ny sabatra.sy ny mosary sy ny areti- mandringana, mba hisy hitantara ny fahavetavetany rehetra any amin'ny jentilisa izay alehany; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.",
"17": "Tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:",
"18": "Ry zanak'olona, hano amin-korohoro ny haninao, ary sotroy amin-kovitra sy amin'ahiahy ny ranonao.",
"19": "Ary lazao amin'ny vahoaka hoe Izao no lazain'i Jehovah Tompo ny amin'ny mponina ao Jerosalema, ao amin'ny tanin'ny Isiraely: Amin'ahiahy no hihinanany ny haniny, ary amim-pahatalanjonana no hisotroany ny ranony, mba ho foana mihitsy ny tany, ka tsy hisy na inona na inona ao, noho ny fandozan'izay rehetra monina ao aminy.",
"20": "Dia ho rava ny tanana onenana, ary ho lao ny tany; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.",
"21": "Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:",
"22": "Ry zanak'olona, ahoana moa, izao fitenenana ataonareo ao amin'ny tanin'ny Isiraely izao hoe: Mihaela ny andro, ary tonga tsinontsinona ny fahitana rehetra?",
"23": "Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Hatsahatro izany fitenenana izany ka tsy hatao fiteny ao amin'ny Isiraely intsony; fa lazao aminy kosa hoe: Akaiky ny andro sy ny tenin'ny fahitana rehetra.",
"24": "Fa tsy hisy fahitana foana intsony na faminaniana mandrobo ao amin'ny taranak'Isiraely.",
"25": "Fa Izaho no Jehovah; hiteny Aho, ary ny teny lazaiko dia ho to tokoa; tsy hajanona ela intsony izany; fa ho amin'ny andronareo, ry taranaka maditra, no hilazako ny teny sy hanatanterahako azy, hoy Jehovah Tompo.",
"26": "Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:",
"27": "Ry zanak'olona, indro, ny taranak'Isiraely manao hoe: Mbola ho ela izany fahitana hitany izany, ary ny amin'ny fotoana mbola lavitra no vinaniny.",
"28": "Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tsy hisy hajanona ela intsony ny teniko; fa ny teny izay lazaiko dia hotanterahiko, hoy Jehovah Tompo."
},
"13": {
"1": "Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:",
"2": "Ry zanak'olona, maminania ny hamelezana ny mpaminanin'ny Isiraely izay maminany, ka lazao amin'izay maminany araka ny fony hoe: Mihainoa ny tenin'i Jehovah ianareo.",
"3": "Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Lozan'ny mpaminany adala, izay manaraka ny fanahiny sy ny zavatra tsy hitany.",
"4": "Tahaka ny amboahaolo any an-tanana haolo ny mpaminaninao, ry Isiraely.",
"5": "Tsy niakatra ho eo amin'ny banga ianareo, sady tsy nanao manda hiarovana ny taranak'Isiraely mba hifaharany amin'ny ady amin'ny andron'i Jehovah.",
"6": "Mahita zava-poana sy faminaniana lainga ireo izay manao hoe: Hoy Jehovah, nefa tsy nirahin'i Jehovah izy tsinona, hahazoany manantena ny hahatovan'ny teny",
"7": "Moa tsy fahitana tsy izy no hitanareo, ary faminaniana lainga no lazainareo, raha hoy ianareo: Jehovah no nilaza izany; kanefa tsy nilaza izany Aho tsinona ?",
"8": "Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nilazanareo anoano foana sy ny nahitanareo lainga, dia, indro, hamely anareo Aho, hoy Jehovah Tompo.",
"9": "Ary ny tanako no hamely ny mpaminany izay mahita anoano foana sy maminany lainga; tsy ho isan'ny mpanolo-tsainan'ny oloko na ho voasoratra amin'ny bokin'ny taranak'Isiraely izy sady tsy hiditra ao amin'ny tanin'ny Isiraely; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Tompo.",
"10": "Noho ny nampiviliany ny oloko tamin'ny nanaovany hoe: Fiadanana, kanjo tsy nisy fiadanana tsinona; ary raha manao ampiantany ny oloko, dia, indreo, izy no mandalotra azy amin'ny feta tsy madity,",
"11": "koa lazao amin'izay mandalotra azy amin'ny feta tsy madity fa hirodana izy; hisy ranonorana mifafy; eny, milatsaha ianareo, ry havandra vaventy; ary mifofofofoa ianareo, ry tafiodrivotra.",
"12": "Indro, raha mirodana ny ampiantany, tsy holazaina aminareo hoe va: Aiza ny lalotra izay nandaloranareo azy?",
"13": "Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Hampifofofofo ny tafio-drivotra amin'ny fahatezerako Aho; ary hisy ranonorana mifafy amin'ny fahatezerako sy havandra vaventy amin'ny fahavinirako hahafongana azy.",
"14": "Dia harodako ny ampiantany izay nolalorinareo tamin'ny feta tsy madity, ka ho fongotra hatramin'ny tany izy, ary hiseho ny fanambaniny; eny, hirodana izy, ka haringana ao anatiny ianareo; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.",
"15": "Dia hotanterahiko amin'ny ampiantany sy izay mandalotra azy amin'ny feta tsy madity ny fahatezerako, ary holazaiko aminareo hoe: Tsy misy intsony ny manda sy izay mpandalotra azy,",
"16": "dia ny mpaminanin'ny Isiraely izay maminany ny amin'i Jerosalema sy izay mahita fahitana fiadanana ho azy, kanjo tsy misy fiadanarla tsinona, hoy Jehovah Tompo.",
"17": "Koa ianao, ry zanak'olona, handrino mafy ny zanakavavin'ny firenenao, izay manao faminaniana araka ny fony, ary maminania ny hamelezana azy,",
"18": "ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Lozan'ny vehivavy rehetra izay manjaitra fono ho ao amin'ny famavanin'ny tanana rehetra, ary manao fisaronana antonona amin'ny loha samy hafa rehetra mba hihaza fanahy! Ny fanahin'ny oloko dia hazainareo, nefa ny fanahinareo kosa velominareo![Na: tanako]",
"19": "Ary manamavo Ahy ao amin'ny oloko ianareo noho ny vary hordea eran-tanan-ila sy ny sombi-mofo, mba hahafaty ny fanahy izay tsy tokony ho faty ary hahavelona ny fanahy izay tsy tokony hovelomina, amin'ny andainganareo amin'ny oloko izay mihaino ny lainganareo.",
"20": "Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hosimbako ny fononareo, izay entinareo hihaza ny fanahy any, mba hahafahan'ireny hanidina, eny, hotriariko hiala amin'ny sandrinareo izy, ka halefako hanidina ny fanahy izay nohazainareo.",
"21": "Hotriariko koa ny fisaronanareo, ka hovonjeko ho afaka amin'ny tananareo ny oloko, dia tsy ho azon'ny tananareo ho haza intsony izy; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.",
"22": "Satria lainga no entinareo mampalahelo ny fon'ny marina, izay tsy nampalaheloviko, sady entinareo manatanjaka ny tanan'ny ratsy fanahy, tsy hialany amin'ny lalan-dratsiny mba hamelomana azy,",
"23": "dia tsy hahita anoano foana na hanao faminaniana intsony ianareo; fa hovonjeko ho afaka amin'ny tananareo ny oloko; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah."
},
"14": {
"1": "Dia nisy loholon'ny Isiraely tonga tao amiko ka nipetraka teo anoloako.",
"2": "Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:",
"3": "Ry zanak'olona, ireto olona ireto efa nampiorina ny sampiny ao am-pony, ary ny fahatafintohinana mahameloka azy dia apetrany eo anoloany. Moa hety hanontanian'ireto va Aho?",
"4": "Koa mitenena aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny amin'ny olona rehetra amin'ny taranak'Isiraely izay mampiorina ny sampiny ao am-pony ary mametraka ny fahatafintohinana mahameloka azy eo anoloany ary manatona ny mpaminany, Izaho Jehovah no hamaly azy araka ny habetsaky ny sampiny,",
"5": "mba hisamborako ny taranak'Isiraely amin'ny fony, satria efa nihemotra niala tamiko izy rehetra noho ny sampiny.",
"6": "Koa ataovy amin'ny taranak'Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Mibebaha, dia miambohoa ny sampinareo sy ny fahavetavetanareo rehetra; eny, miambohoa ireny.",
"7": "Fa na iza na iza amin'ny taranak'Isiraely, na amin'ny vahiny izay mivahiny eo amin'ny Isiraely, no misaraka amiko ka mampiorina ny sampiny ao am-pony ary mametraka ny fahatafintohinana mahameloka azy eo anoloany sady manatona ny mpaminany hanontany amiko, dia Izaho Jehovah ihany no hamaly azy araka izay toetro;",
"8": "ary hanandrina izany olona izany ny tavako, ka hataoko mahita loza izy mba ho famantarana sy ho ohabolana, ary hofongorako tsy ho eo amin'ny oloko izy; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.",
"9": "Ary raha misy voataona