UNPKG

mg-bibles

Version:

A package for accessing Bible verses in Malagasy (MG), Diem, King James (KJV), and Louis Segond (APEE) versions

20 lines (19 loc) 2.22 kB
{ "1": { "1": "Izaho loholona mamangy an'i Galo, ilay malala, izay tiako amin'ny fahamarinana. [ Gr. Ny presbytera]", "2": "Ry malala, mangataka aho mba hambinina sy ho salama amin'ny zavatra rehetra anie ianao, tahaka izay anambinana ny fanahinao ihany.", "3": "Fa faly indrindra aho, fony nisy rahalahy tonga ka nanambara ny fahamarinanao, dia toy ny andehananao araka ny fahamarinana.", "4": "Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho, dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako.", "5": "Ry malala, manao asa mahatoky ianao na amin'inona na amin'inona ataonao amin'ireo rahalahy ireo, na dia vahiny aza izy,", "6": "izay nanambara ny fitiavanao teo anatrehan'ny fiangonana; dia ho soa no ataonao, raha mamoaka azy koa araka izay miendrika hatao noho ny amin'Andriamanitra ianao; [ Gr. eklesia]", "7": "fa noho ny Anarana no niangany, ka tsy naka na inona na inona tamin'ny jentilisa izy.", "8": "Koa isika dia tokony handray tsara izay toy izany, mba ho mpiara-miasa aminy amin'ny fahamarinana.", "9": "Nanoratra tamin'ny fiangonana Ihany aho; nefa Diotrefa, izay te-ho lohany, dia tsy mba mandray anay. [ Gr. eklesia]", "10": "Koa amin'izany, raha tonga aho, dia hotsarovako izay asa ataony, fa mibedibedy foana manaratsy anay izy; ary tsy afa-po amin'izany ihany, fa ny tenany dia tsy mandray ireo rahalahy ireo, ary izay ta-handray azy dia rarany sy roahiny hiala amin'ny fiangonana. [ Gr. eklesia]", "11": "Ry malala, aza ny ratsy no alain-tahaka, fa ny tsara. Izay manao ny tsara no avy amin'Andriamanitra; fa izay manao ny ratsy tsy mba nahita an'Andriamanitra.", "12": "Demetrio dia tsara laza amin'ny olona rehetra sy amin'ny fahamarinana koa; ary izahay koa manambara izany, ary fantatrao fa marina ny fanambaranay.", "13": "Nanana zavatra maro hosoratana aho, nefa tsy tiako hosoratana aminao amin'ny ranomainty sy ny penina; [ Gr. volotara]", "14": "fa manantena hahita anao faingana ihany aho, dia hiteny mifanatrika isika.", "15": "Ho aminao anie ny fiadanana. Ny sakaiza aty; manao veloma anao. Veloma amin'ny sakaiza tsirairay araka ny anarany avy." } }