mg-bibles
Version:
A package for accessing Bible verses in Malagasy (MG), Diem, King James (KJV), and Louis Segond (APEE) versions
291 lines • 162 kB
JSON
{
"1": {
"1": "Ary Solomona, zanak'i Davida, dia nitombo hery tamin'ny fanjakany, ary Jehovah Andriamaniny nomba azy ka nanandratra azy indrindra.",
"2": "Ary Solomona nandidy Isiraely rehetra, dia mpifehy arivo sy mpifehy zato sy mpitsara ary loham-pirenena rehetra tamin'ny Isiraely, dia lohan'ny fianakaviana,",
"3": "ka dia niara-niakatra ho any amin'ny fitoerana avo tao Gibeona Solomona sy fiangonana rehetra; fa tao trano-lay fihaonana izay an'Andriamanitra, ilay nataon'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, tany an-efitra.",
"4": "Fa fiaran'Andriamanitra efa nampakarin'i Davida avy ta Kiriata-jearima ho ao amin'izay efa namboariny ho azy; fa efa nanorina lay ho azy tany Jerosalema izy.",
"5": "Ary alitara varahina izay nataon'i Bezalila, zanak'i Ory zanak'i Hora, dia teo anoloan'ny tabernakelin'i Jehovah; ary Solomona sy fiangonana nitady Azy tao. [Na: azy]",
"6": "Ary Solomona nanatitra fanatitra teo amin'ny alitara varahina teo anatrehan'i Jehovah, izay momba ny trano-lay fihaonana; fanatitra dorana arivo no nateriny teo.",
"7": "Tamin'ny alin'iny no nisehoan'Andriamanitra tamin'i Solomona, ka hoy Izy taminy: Angataho izay tianao homeko anao.",
"8": "Dia hoy Solomona tamin'Andriamanitra: Hianao efa naneho fahasoavana lehibe tamin'i Davida raiko ary nampanjaka ahy handimby azy.",
"9": "Koa ankehitriny, ry Jehovah Andriamanitra o. aoka ho tanteraka teninao tamin'i Davida raiko; fa Hianao efa nampanjaka ahy tamin'ny vahoaka maro be tahaka ny vovo-tany.",
"10": "Koa omeo fahendrena sy fahalalana aho hitarihako ireto vahoaka ireto mivoaka sy miditra; fa iza no hahay mitsara izao olonao betsaka izao?",
"11": "Dia hoy Andriamanitra tamin'i Solomona: Satria tao am-ponao izany ka tsy nangataka vola aman-karena ianao, na voninahitra, na ain'ny fahavalonao, ary tsy nangataka ho ela velona aza, fa nangataka fahendrena sy fahalalana hitsaranao ny oloko izay nampanjakako anao,",
"12": "dia omena anao ny fahendrena sy fahalalana; ary homeko vola aman-karena sy voninahitra koa ianao, mihoatra noho izay nananan'ny mpanjaka rehetra na iza na iza tany alohanao, ary tsy hisy hanana tahaka izany ny any aorianao.",
"13": "Ary tonga tany Jerosalema Solomona avy teo amin'ny fitoerana avo tao Gibeona, dia teo anoloan'ny trano-lay fihaonana; ary nanjaka tamin'ny Isiraely izy.",
"14": "Ary Solomona nanangona kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ka nanana kalesy efa-jato amby arivo sy mpitaingin-tsoavaly roa arivo sy iray alina, izay nataony tany amin'ireny tanana fitoeran'ny kalesy ary tao amin'ny mpanjaka tany Jerosalema.",
"15": "Ary nataon'ny mpanjaka ho tahaka ny vato ny habetsaky ny volafotsy sy ny volamena tany Jerosalema, ary ny hazo sedera nataony toy ny aviavy eny amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka. [Heb. Sefela]",
"16": "Avy tany Egypta no nahazoan'i Solomona soavaly; ary ny iray toko tamin'ny mpandranton'ny mpanjaka dia naka andiany iray araka izay vidiny voatendry.",
"17": "Ary ny vidin'ny kalesy iray nentiny niakatra avy tany Egypta dia sekely volafotsy enin-jato, ary ny soavaly dia dimam-polo amby zato avy; ary toy izany koa no nitondrany ho an'ny mpanjakan'ny Hetita sy ny mpanjakan'ny Syriana.",
"18": "Ary Solomona nilaza fa hanao trano ho an'ny anaran'i Jehovah sy lapa ho an'ny tenany."
},
"2": {
"1": "Dia nanisa olona fito alina ho mpitondra entana Solomona ary valo alina ho mpikapa hazo eny an-tendrombohitra ary enin-jato amby telo arivo ho mpifehy azy.",
"2": "Ary Solomona naniraka hankany amin'i Hirama, mpanjakan'i Tyro, hanao hoe: Tahaka ny nataonao tamin'i Davida raiko, raha nampanatitra hazo sedera ho azy hanaovany trano hitoerany ianao,",
"3": "indro, izaho efa efa hanao trano ho an'ny anaran'i Jehovah Andriamanitro izay hohamasinina ho Azy ka handoroana ditin-kazo mani-pofona eo anatrehany sy hasiana ny mofo aseho mandrakariva ary handoroana ny fanatitra isa-maraina sy Isan-kariva ary amin'ny Sabata sy ny voaloham-bolana ary amin'ny fotoam-pivavahina voatendrin'i Jehovah Andriamanitray; ho adidin'ny Isiraely mandrakizay izany.",
"4": "Ary ny trano efa hataoko dia lehibe, satria lehibe noho ny andriamanitra rehetra ny Andriamanitray.",
"5": "Nefa iza no mahay manao trano ho Azy? Fa ny lanitra ary ny lanitry ny lanitra aza tsy omby Azy. Ka iza moa aho, no hanao trano ho Azy, afa-tsy ny handoroana ditin-kazo manitra eo anatrehany ihany?",
"6": "Koa aniraho olon-kendry aho hiasa volamena sy volafotsy sy varahina sy vy sy volomparasy sy jaky ary manga, ary izay mahay misokitra manao sarin-javatra mba hiara-manao amin'ny olo-mahay zavatra izay aty; amiko aty; Joda sy Jerosalema, izay efa nomanin'i Davida raiko.",
"7": "Ary anatero hazo sedera sy kypreso ary almoga avy any Libanona koa aho; fa fantatro fa mahay mikapa hazo any Libanona ny vahoakanao; ary, indro, ny vahoakako hiaraka amin'ny vahoakanao",
"8": "mba hanamboatra hazo betsaka ho ahy; fa ny trano izay efa hataoko dia ho lehibe higagana.",
"9": "Ary, indro, homeko vary tritika voafotsy sy vary hordea roa alina kora avy ary divay sy diloilo roa alina bata avy ny vahoakanao mpikapa hazo.",
"10": "Ary hoy Hirama, mpanjakan'i Tyro, tamin'ny taratasy izay nampanateriny ho any amin'i Solomona: Noho ny fitiavan'i Jehovah ny olony no nanendreny anao ho mpanjakany.",
"11": "Ary hoy koa Hirama: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay nanao ny lanitra sy ny tany, noho ny nanomezany an'i Davida zanaka hendry, izay manana fahendrena sy fahalalana, ka hanao trano ho an'i Jehovah sy lapa ho an'ny tenany izy.",
"12": "Koa ankehitriny, indro, maniraka olona mahay zavatra sady manana fahalalana aho, dia Hiram-aby,[Na: Ikaky Hirama]",
"13": "zanaky ny vehivavy Danita sy ny lehilahy Tyriana. Ary izy dia mahay miasa volamena sy volafotsy sy varahina sy vy sy vato sy hazo sy volomparasy sy manga sy rongony fotsy madinika ary jaky; ary mahay misokitra manao sarin-javatra samy hafa sy mahay manao marika amin'izay asa rehetra asaina ataony, ka dia hiara-manao amin'ny olon-kendrinao sy ny olon-kendrin'itompokolahy Davida rainao Izy.",
"14": "Ary ny vary tritika sy ny vary hordea ary ny diloilo sy ny divay, izay nolazainao, tompokolahy dia aoka hampanaterina ho aty; aminay mpanomponao;",
"15": "Ary izahay dia hikapa hazo any Libanona araka izay rehetra tadiavinao; ary hofehezinay ka hampandehaninay mitsinkafona amin'ny ranomasina ho any Jopa; ary ianao kosa no hitondra azy miakatra hankany Jerosalema.",
"16": "Ary Solomona nanisa ny lehilahy hafa firenena rehetra izay nonina tamin'ny tanin'ny Isiraely araka ny nanisan'i Davida rainy Lzy, ary ny isany dia enin-jato amby telo arivo amby dimy alina sy iray hetsy.",
"17": "Ary ny fito alina tamin'ireo dia nataony mpitondra entana, ary ny valo alina nataony mpikapa hazo eny an-tendrombohitra, ary ny enin-jato amby telo arivo nataony mpifehy hampiasa ny olona."
},
"3": {
"1": "Ary Solomona nanomboka nanao ny tranon'i Jehovah tany Jerosalema, tao an-tendrombohitra Moria, ilay nisehoan'i Jehovah tamin'i Davida rainy, dia ilay namboarina teo amin'ny fitoerana nofidin'i Davida teo amin'ny famoloan'i Araona Jebosita.",
"2": "Ary nanomboka nanao ny trano izy tamin'ny andro faharoa tamin'ny volana faharoa tamin'ny taona fahefatra nanjakany.",
"3": "Ary toy izao no nanorenan'i Solomona ny tranon'Andriamanitra: Ny lavany, raha araka ny hakiho taloha, dia enim-polo hakiho, ary ny sakany roa-polo hakiho.",
"4": "Ary ny amin'ny lavarangana fidirana izay teo anoloany, ny lavany dia roa-polo hakiho, dia araka ny sakan'ny trano ihany, ary ny hahavony dia roa-polo amby zato hakiho; ary nopetahany takela-bolamena tsara ny ao anatiny.",
"5": "Ary ny ati-trano lehibe nopetahany hazo kypreso, dia vao nopetahany takela-bolamena tsara ireo ary noravahany hazo rofia sy tongalika. [palma]",
"6": "Ary noravahany vato soa koa ny trano; ary ny volamena dia volamena avy any Parvaima.",
"7": "Ary nopetahany takela-bolamena ny trano, dia ny rairainy sy ny tokonany sy ny rindriny ary ny lela-varavarany; ary nosoratany nasiany sarin'ny kerobima ny rindrina.",
"8": "Ary nanao ny efi-trano masina indrindra izy: ny lavany dia roa-polo hakiho mifanerana amin'ny sakan'ny trano, ary roa-polo hakiho koa ny sakany; ary nopetahany takela-bolamena tsara talenta enin-jato izy",
"9": "Ary ny lanjan'ny hombo volamena dia sekely dimam-polo. Ary ny efi-trano ambony nopetahany volamena koa.",
"10": "Ary tao amin'ny efi-trano masina indrindra dia nasiany sarin'ny kerobima roa, ary nosokiriny no nanaovany azy, dia nopetahany takela-bolamena.",
"11": "Ny halavan'ny elatry ny kerobima dia roa-polo hakiho: ny elatry ny anankiray dia dimy hakiho, mipaka amin'ny rindrina; ary ny elany iray koa dimy hakiho sady mifanendry amin'ny elatry ny kerobima anankiray;",
"12": "ary ny elatry ny kerobima anankiray koa dia dimy hakiho, mipaka amin'ny rindrina; ary ny elany iray koa dimy hakiho sady mifanendry amin'ny elatry ny kerobima anankiray.",
"13": "Nivelatra ny elatr'ireo kerobima Ireo. ka roa-polo hakiho ny halavany; nijoro tamin'ny tongony, tarehiny nanatrika ny trano.",
"14": "Ary izy nanao ny efitra lamba tamin'ny manga sy volomparasy sy jaky sy rongony fotsy madinika; ary nataony sarin'ny kerobima ny sorany.",
"15": "Ary nanao andry roa teo anoloan'ny trano izy; dimy amby telo-polo hakiho ny hahavony, ary ny kapitaly teo an-tampony dia dimy hakiho ary.",
"16": "Ary nanao tongalika tao amin'ny efitra anatiny izy, ka nataony teo an-tampon'ny andry ireo; ary nanao sarin'apongaben-danitra zato izy, ka nataony teo amin'ny tongalika ireo.",
"17": "Ary ny andry natsangany teo anoloan'ny tempoly, ny iray tamin'ny ankavanana, ary ny iray tamin'ny ankavia; ary ny anaran'ny teo amin'ny ankavanana nanao ny hoe Jakina, ary ny anaran'ny teo amin'ny ankavia kosa natao hoe Boaza.[Jakina = Hampiorina izy][Boaza = Ao aminy no misy hery (?)]"
},
"4": {
"1": "Ary nanao alitara varahina izy: roa-polo hakiho ny lavany, roa-polo hakiho koa ny sakany, ary folo hakiho ny hahavony.",
"2": "Ary nanao ny tavin-drano an-idina boribory lehibe izy: folo hakiho no halehiben'ny vavany, dimy hakiho ny hahavony, ary telo-polo hakiho ny manodidina azy.[Heb. ranomasina]",
"3": "Ary teo ambanin'ny tavin-drano lehibe nisy sarin'omby manodidina azy, dia folo amin'ny iray hakiho manodidina. Roa andalana ny sarin'omby sady niara-natao an-idina tamin'ny tavin-drano. .[Heb. ranomasina]",
"4": "Ary ny tavin-drano dia nipetraka tambonin'ny sarin'omby roa ambin'ny folo: ny telo nanatrika ny avaratra ny telo nanatrika ny andrefana, ny telo nanatrika ny atsimo, ary ny telo nanatrika ny atsinanana; ny tavin-drano lehibe dia teo amboniny, ary niady vody izy rehetra.[Heb. ranomasina]",
"5": "Ary ny hateviny dia vodivoam-pelatanana, ary ny molony nataony tahaka ny molotry ny kapoaka, dia tahaka ny vonin'ny lilia; ary mahalany telo arivo bata izy.",
"6": "Ary nanao tavin-drano folo koa izy hanasana, ny dimy nataony tamin'ny ankavanana, ary ny dimy tamin'ny ankavia; ary ny zavatra hatao fanatitra dorana dia nakobaka teo; fa ny tavin-drano lehibe kosa dia fisasan'ny mpisorona.[Heb. ranomasina]",
"7": "Ary nanao ny fanaovan-jiro volamena folo araka ny marika izy, dia napetrany tao amin'ny tempoly, dimy teo amin'ny ankavanana, ary dimy teo amin'ny ankavia.",
"8": "Ary nanao latabatra folo koa izy, dia napetrany tao amin'ny tempoly, dimy teo amin'ny ankavanana, ary dimy teo amin'ny ankavia. Ary nanao lovia volamena zato famafazana izy.",
"9": "Ary nanao ny kianjan'ny mpisorona sy ny kianja lehibe sy ny lela-vavahadin'ny kianja izy, ary nopotehany takela-barahina ny lela-vavahady.",
"10": "Ary ny tavin-drano lehibe nataony tamin'ny ankavanana, dia teo amin'ny atsimo-atsinana.[Heb. ranomasina]",
"11": "Ary Hirama nanao ny vilany fandraofan-davenona sy ny sotron'afo ary ny lovia famafazana. Dia vitan'i Hirama ny asa izay nataony ho an'i Solomona mpanjaka ho amin'ny tranon'Andriamanitra:",
"12": "dia ny andry roa sy ny boriboriny sy ny kapitaliny izay teny an-tampon'ny andry roa sy ny harato roa hafono ny boriboriny roa momba ny kapitaly izay teo an-tampon'ny andry avy,",
"13": "ary ny sarin'ampongaben-danitra efa-jato ho amin'ny harato roa, sarin'ampongabendanitra roa andalana ho amin'ny harato iray hafono ny boribory roa momba ny kapitaly izay teo an-tampon'ny andry avy;",
"14": "ary nanao ireo fitoeran-tavin-drano izy, ary ny tavin-drano nataony teo amin'ny fitoerany;",
"15": "ary ny tavin-drano lehibe iray sy ny sarin'omby roa ambin'ny folo; ambaniny. [Heb. ranomasina]",
"16": "Ary ny vilany fandraofan-davenona sy ny sotron'afo sy ny fitrebika ary ny fanaka rehetra momba azy dia nataon'i Hiram-aby ho an'i Solomona mpanjaka ho amin'ny tranon'i Jehovah tamin'ny varahina manganohano.[Na: Ikaky Hirama]",
"17": "Teo amin'ny tany amoron'i Jordana no nanaovan'ny mpanjaka an-idina azy tamin'ny tanimanga teo anelanelan'i Sokota sy Zaretana.",
"18": "Toy izany no nanaovan'i Solomona ireo fanaka rehetra rehetra ireo; fa tsy nozahana Izay lanjan'ny varahina.",
"19": "Ary Solomona nanao ny fanaka rehetra izay tao amin'ny tranon'Andriamanitra: ny alitara volamena sy ny latabatra fitoeran'ny mofo aseho,",
"20": "ary ny fanaovan-jiro sy ny lela fanaovan-jirony mba hampirehetina eo noloan'ny efitra anatiny araka ny fanao dia samy volamena tsara;",
"21": "ny voniny sy ny lela fanaovan-jiro ary ny hetin-jiro dia samy volamena tsara indrindra avokoa;",
"22": "ary ny antsy sy ny lovia famafazana sy ny lovia kely sy ny fitoeran-davenon-jiro dia samy volamena tsara; ary ny lela-varavarana teo anatin'ny trano, dia ny mankao amin'ny fitoerana masina indrindra, sy ny lela-varavarana ho amin'ny ati-trano lehibe dia samy volamena avokoa."
},
"5": {
"1": "Toy izany no nahavitana ny asa rehetra nataon'i Solomona ho amin'ny tranon'i Jehovah; ary nampidirin'i Solomona ny zavatra rehetra izay efa nohamasinin'i Davida rainy dia ny volafotsy sy ny volamena; ary ny fanaka rehetra dia nataony tao amin'ny rakitry ny tranon'Andriamanitra.",
"2": "Ary tamin'izany dia novorin'i Solomona ny loholon'ny Isiraely sy ny lehiben'ny firenena rehetra, dia ny lohan'ny fianakavian'ny Zanak'isiraely ho any Jerosalema hampakatra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah avy any Ziona, Tananan'i Davida.",
"3": "Dia nivory ho any amin'ny mpanjaka ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely tamin'ny andro firavoravoana tamin'ny volana fahafito.",
"4": "Ary tonga koa ny loholon'ny Isiraely rehetra, ka ny Levita no nitondra ny fiara,",
"5": "dia nampakariny ny fiara sy ny trano-lay fihaonana ary ny fanaka masina rehetra izay tao amin'ny lay. Nampakarin'ny Levita mpisorona ireo zavatra ireo.",
"6": "Ary Solomona mpanjaka sy ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, izay nivory teo aminy teo anoloan'ny fiara, dia samy namono zavatra hatao fanatitra, dia ondry aman'osy sy omby izay tsy tambo isaina sady tsy hita isa noho ny hamaroany.",
"7": "Ary ny fiaran'ny faneken'i Jehovah dia nampidirin'ny mpisorona ho ao amin'ny fitoerany tao anatin'ny efi-trano anatiny, dia ny fitoerana masina indrindra, teo ambanin'ny elatry ny kerobima;",
"8": "fa nivelatra tambonin'ny fitoeran'ny fiara ny elatry ny kerobima ka nanaloka ny fiara sy ny baony.",
"9": "Ary lava ny bao, ka hita ny lohany, raha eo amin'ny fiara eo anoloan'ny efitra matiny nefa tsy hita eny ivelany, ary mbola ao mandraka androany izy.",
"10": "Ary tsy nisy na inona na inona tao anatin'ny fiara afa-tsy ny vato fisaka roa ihany izay nataon'i Mosesy tao anatiny fony tany Horeba, tamin'i Jehovah nanao fanekena tamin'ny Zanak'isiraely, tamin'ny nivoahany avy tany Egypta.",
"11": "Ary nony nivoaka avy tao amin'ny fitoerana masina ny mpisorona (fa ny mpisorona rehetra izay teo dia samy efa nanamasina ny tenany, fa tsy mba nifandimby isan-toko taminy izay),",
"12": "ary ny Levita mpihira rehetra, dia Asafa sy Hemana sy Jedotona mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, izay nitafy rongony fotsy madinita sady nitondra kipantsona sy valiha ary lokanga, dia nitsangana teo atsinanan'ny alitara, ary teo aminy koa nisy pisorona roa-polo amby zato nitsoka trompetra;",
"13": "ary efa toy ny feo iray no fandrenesana ny mpitsoka trompetra sy ny mpihira, raha nidera sy nisaotra an'i Jehovah izy; ka nony nanandratra ny feony izy sady nampaneno ny trompetra sy ny kipantsona sy ny zava-maneno isan-karazany ka nidera an'i Jehovah fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony, dia feno rahona ny tranon'i Jehovah;",
"14": "ka dia tsy nahajanona hanao fanompoam-pivavahana ny mpisorona noho ny rahona; fa feno ny voninahitr'i Jehovah ny tranon'Andriamanitra."
},
"6": {
"1": "Dia hoy Solomona: Jehovah efa nilaza fa hitoetra ao amin'ny aizim-pito Izy.",
"2": "Nefa izaho efa nanao trano hitoeranao tokoa, dia fitoerana hitoeranao mandrakizay.",
"3": "Ary ny mpanjaka nitodika ka nitso-drano ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra (nitsangana avokoa ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra),",
"4": "ka nanao hoe: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, fa ny vavany efa niteny tamin'i Davida raiko, ary ny tanany no nahatanteraka izany taminy, dia ilay hoe:",
"5": "Hatramin'ny andro nitondrako ny oloko nivoaka avy tany Egypta dia tsy mbola nisy tanana nofidiko tamin'ny firenen'isiraely rehetra hanaovana trano mba hitoeran'ny anarako; ary tsy nisy olona nofidiko ho mpanapaka ny Isiraely oloko;",
"6": "fa nifidy an'i Jerosalema Aho hitoeran'ny anarako, ary nifidy an'i Davida Aho hanapaka ny Isiraely oloko.",
"7": "Ary efa mby tao am-pon'i Davida raiko ny hanao trano ho an'ny anaran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.",
"8": "Nefa hoy Jehovah tamin'i Davida raiko: Satria tao am-ponao ny fikasana hanao trano ho an'ny anarako, dia tsara izany fikasanao izany.",
"9": "Kanefa tsy ianao no hanao ny trano, fa ny zanakao izay haterakao, izy no hanao ny trano ho an'ny anarako.",
"10": "Ary Jehovah efa nahatanteraka ny teniny izay nolazainy, koa nitsangana handimby an'i Davida raiko aho ary mipetraka amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely tahaka ny efa nolazain'i Jehovah, sady efa nanao ny trano ho an'ny anaran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, aho.",
"11": "Ary napetrako tao ny fiara izay itoeran'ny faneken'i Jehovah, ilay nataony tamin'ny Zanak'isiraely.",
"12": "Ary Solomona nitsangana teo anoloan'ny alitaran'i Jehovah teo anatrehan'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ka namelatra ny tanany",
"13": "fa efa nanao fitaingenana varahina izy, ary napetrany teo afovoan'ny kianja io (dimy hakiho ny lavany, ary dimy hakiho ny sakany, ary telo hakiho ny hahavony); dia nitsangana teo amin'io izy ka nandohalika teo anatrehan'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ary namelatra ny tanany manandrify ny lanitra",
"14": "ka nanao hoe: Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely o, tsy misy Andriamanitra tahaka Anao, na any an-danitra na ety; an-tany, Izay mitandrina ny fanekenao sy ny famindram-ponao ho an'ny mpanomponao izay mandeha eo anatrehanao amin'ny fony rehetra,",
"15": "sady efa nahatanteraka tamin'i Davida raiko mpanomponao ilay nolazainao taminy; fa nolazain'ny vavanao izany, dia notanterahin'ny tananao tahaka ny amin'izao anio izao.",
"16": "Koa tanteraho amin'i Davida raiko mpanomponao, Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely o, ilay nolazainao taminy hoe: Tsy ho diso zanakalahy eo anatrehako ianao hipetraka amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely, raha ny zanakao mitandrina ny alehany ka mankato ny lalako tahaka ny nandehananao teo anatrehako.",
"17": "Koa ankehitriny, ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely o, mifona amina aho, aoka ho to anie ny teninao, izay nolazainao tamin'i Davida mpanomponao.",
"18": "Andriamanitra va dia honina amin'ny olona ety; an-tany tokoa? He! ny lanitra, ary ny lanitry ny lanitra aza, tsy omby Anao, koa mainka fa ity trano nataoko ity!",
"19": "Koa atreho ny fivavaka sy ny fifonan'ny mpanomponao, Jehovah Andriamanitro o, mba hohenoinao ny fitarainana sy ny fivavaka izay ataon'ny mpanomponao eto anatrehanao,",
"20": "mba hihiratan'ny masonao andro aman'alina amin'ity trano ity, dia amin'ny fitoerana nolazainao hoe: Ao no hasiako ny anarako, hihainoanao ny vavaka izay ataon'ny mpanomponao manatrika ity fitoerana ity.",
"21": "Ary henoy ny fifonan'ny mpanomponao sy ny Isiraely olonao, raha mivavaka manatrika ity fitoerana ity izy; dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao; eny, mihainoa, ka mamela heloka.",
"22": "Raha misy olona manota amin'ny namany, ary ampianianiny, ka tonga hianiana eo anoloan'ny alitaranao amin'ity trano ity izy,",
"23": "dia mihainoa any an-danitra Hianao, ka manaova, ary mitsara ny mpanomponao, hamaly ny ratsy fanahy ka hampitsingerina ny nataony ho amin'ny lohany, ary hanamarina ny marina kosa ka hanome azy araka ny fahamarinany.",
"24": "Raha resy eo anoloan'ny fahavalo ny Isiraely olonao noho ny nanotany taminao, ary miverina sy manaiky ny anaranao indray ka mivavaka sy mifona eto anatrehanao amin'ity trano ity izy,",
"25": "dia mihainoa any an-danitra, Hianao, ka mamela ny fahotan'ny Isiraely olonao, ary ampodio amin'ny tany nomenao azy sy ny razany izy.",
"26": "Raha mihantona ny andro, ka tsy misy ranonorana noho ny nanotan'ny olona taminao, ary mivavaka manatrika ity fitoerana ity izy ka manaiky ny anaranao sady miala amin'ny fahotany, satria ampahorinao,",
"27": "dia mihainoa any an-danitra Hianao, ka mamela ny fahotan'ny mpanomponao, dia ny Isiraely olonao, satria atoronao azy ny lalana tsara izay tokony halehany, ary mandatsaha ranonorana amin'ny taninao, izay nomenao ho lovan'ny olonao.",
"28": "Raha misy mosary amin'ny tany, na areti-mandringana, na mainan'ny rivotra ny vary, na maty fotsy, na misy valala sy sompanga, na misy fahavalo manao fahirano azy ao amin'ny taniny, dia ao amin'ny tananany, na inona fahoriana, na inona aretina,",
"29": "izay vavaka rehetra sy fifonana rehetra ataon'olona, na ny Isiraely olonao rehetra, izay samy mahalala ny fahoriany sy ny alahelony avy, ka mamelatra ny tanany manatrika ity trano ity izy,",
"30": "dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao, ka mamela heloka, ka omeo ny olona araka ny alehany rehetra, fa fantatrao ny fony (fa Hianao dia Hianao irery ihany no mahalala ny fon'ny zanak'olombelona,)",
"31": "mba hatahorany Anao sy handehanany amin'ny lalanao amin'izay andro rehetra hiainany ety; amin'ny tany nomenao ny razanay.",
"32": "Ary henoy koa ny vahiny izay tsy isan'ny Isiraely olonao, fa tonga avy any amin'ny tany lavitra noho ny amin'ny anaranao lehibe sy ny tananao mahery ary ny sandrinao ahinjitra, koa raha avy izy ka mivavaka manatrika ity trano ity,",
"33": "dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao, ka manaova araka izay rehetra iantsoan'ny vahiny Anao, mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin'ny tany ny anaranao hatahorany Anao tahaka ny ataon'ny Isiraely olonao ihany, ary mba ho fantany fa ny anaranao no efa nantsoina tamin'ity trano nataoko ity.",
"34": "Raha mivoaka hiady amin'ny fahavalony ny olonao, na ho aiza na ho aiza no hanirahanao azy, ka mivavaka aminao manandrify ity tanana izay nofidinao ity sy ny trano izay nataoko ho an'ny anaranao izy,",
"35": "dia henoy any an-danitra ny fivavany sy ny fifonany, ka omeo rariny izy.",
"36": "Raha manota aminao izy (fa tsy misy olombelona tsy manota), ka tezitra aminy Hianao ary manolotra azy eo anoloan'ny fahavalony, ka dia entin'ny mpamabo ho babo any amin'ny tany na ho lavitra na ho akaiky izy,",
"37": "ary mahatsiaro any amin'ny tany nitondrana azy ho babo izy ka mibebaka sy mifona aminao any amin'ny tany izay nitondrana azy ho babo ary manao hoe: Efa nanota izahay sady efa nanao meloka sy efa nanao ratsy,",
"38": "ka dia miverina aminao amin'ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra izy ao amin'ny tany nitondrana azy ho babo ary mivavaka manandrify ny taniny izay nomenao ny razany sy ny tanana izay nofidinao ary ny trano izay nataoko ho an'ny anaranao,",
"39": "dia henoy any an-danitra fonenanao ny fivavany sy ny fifonanao ka omeo rariny izy; ary mamela ny olonao izay efa nanota taminao.",
"40": "Ankehitriny, ry Andriamanitro o, mifona aminao aho, aoka hihiratra ny masonao, an aoka ny sofinao hihaino ny vavaka atao amin'ity fitoerana ity.",
"41": "Koa ankehitriny mitsangana, ry Jehovah Andriamanitra o, ho amin'ny fitsaharanao, dia Hianao sy ny fiaran'ny herinao; aoka ny mpisoronao hitafy famonjena, Jehovah Andriamanitra o. ary aoka ny olonao masina hifaly amin'ny soa.",
"42": "Ry Jehovah Andriamanitra o, aza lavinao ny voahosotrao; tsarovy ny famindram-po nampanantenaina an'i Davida mpanomponao."
},
"7": {
"1": "Ary rehefa vita izany vavak'i Solomona izany, dia nisy afo latsaka avy tany an-danitra ka nandevona ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa alatsa-dra, ka feno ny voninahitr'i Jehovah ny trano.",
"2": "Ary ny mpisorona tsy nahazo niditra tao an-tranon'i Jehovah, satria feno ny voninahitr'i Jehovah ny tranony.",
"3": "Ary nony hitan'ny Zanak'Isiraely rehetra ny nilatsahan'ny afo sy ny voninahitr'i Jehovah teo ambonin'ny trano, dia niankohoka tamin'ny lampivato izy ka nivavaka sy nidera an'i Jehovah, fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony.",
"4": "Ary ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra dia namono zavatra hatao fanatitra teo anatrehan'i Jehovah.",
"5": "Ary Solomona mpanjaka namono zavatra hatao fanatitra, dia omby roa arivo amby roa alina sy ondry aman'osy roa alina amby iray hetsy. Toy izany no nitokanan'ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra ny tranon'Andriamanitra.",
"6": "Ary ny mpisorona samy nitsangana hanao ny anjara-raharahany avy; ny Levita koa nanana ny zava-manenon'i Jehovah, izay nataon'i Davida mpanjaka hiderana an'i Jehovah, fa mandrakizay ny famindram-pony, raha nasain'i Davida nidera an'Andriamanitra izy; ary ny mpisorona nitsoka ny trompetra teo anoloany, ary ny Isiraely rehetra nitsangana teo.",
"7": "Ary Solomona nanamasina ny afovoan'ny kianja izay teo anoloan'ny tranon'i Jehovah; fa tao no nanaterany ny fanatitra dorana sy ny saboran'ny fanati-pihavavana; fa ny alitara varahina izay nataon'i Solomona dia tsy omby ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina ary ny sabora.",
"8": "Ary tamin'izany andro izany Solomona ny Isiraely rehetra izay teo aminy, dia nangonana lehibe hatrany akaikin'i Hamata ka hatramin'ny lohasahan-driak'i Egypta, dia nitandrina ny andro firavoravoana hafitoana.",
"9": "Ary tamin'ny andro fahavalo dia nanao fara-fivoriana Izy; fa hafitoana no nitandremany ny fitokanana ny alitara, ary hafitoana koa ny andro firavoravoana.",
"10": "Ary nony tamin'ny andro fahatelo amby roa-polo tamin'ny volana fahafito dia nampodiny ho Eny an-dainy avy ny olona, ary faly sy ravoravo izy noho ny soa nataon'i Jehovah tamin'i Davida sy Solomona ary ny Isiraely olony.",
"11": "Toy izany no nahavitan'i Solomona ny tranon'i Jehovah sy ny lapan'andriana, ary samy nataon'i Solomona lavorary avokoa zay rehetra efa voaheviny hatao tao an-tranon'i Jehovah sy tao an-dapany.",
"12": "Ary Jehovah niseho tamin'i Solomona nony alina ka nanao taminy hoe: Efa reko ny vavakao, ary efa nofidiko ho Ahy ity fitoerana ity ho trano fanateram-panatitra.",
"13": "Koa, indro, raha mampihantona ny andro Aho, ka tsy misy ranonorana latsaka, na asaiko mandany ny tany ny valala, na anaterako areti-mandringana ny oloko,",
"14": "raha ny oloko izay nantsoina amin'ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin'ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hahasitrana ny taniny.",
"15": "Ary izao dia hihiratra ny masoko, ary ny sofiko hihaino ny vavaka Izay atao amin'ity fitoerana ity;",
"16": "fa efa nofidiko sy nohamasiniko ity trano ity mba hitoeran'ny anarako mandrakizay, ary ny masoko sy ny foko ho ao mandrakariva.",
"17": "Ary ny aminao, raha handeha eo anatrehako tahaka ny nandehanan'i Davida rainao ianao ka hanao araka izay andidiako anao sy hitandrina ny didiko sy ny fitsipiko,",
"18": "dia hampitoeriko ny seza fiandrianan'ny fanjakanao, araka ny fanekeko tamin'i Davida rainao hoe: Tsy ho diso zanakalahy ho mpanapaka amin'ny Isiraely ianao.",
"19": "Fa raha mivily kosa ianareo ka mahafoy ny didiko sy ny lalako, izay nataoko teo anoloanareo, ka mandeha manompo andriamanikafa sy miankohoka eo anatrehany",
"20": "dia hongotako amin'ny tany izay nomeko anareo; ary hofongorako tsy ho eo imasoko ity trano nohamasiniko ho an'ny anarako ity sady hataoko ho ohabolana sy ho ambentinteny any amin'ny firenena rehetra. [Heb. azy]",
"21": "Ary na dia avo aza ity trano ity, dia ho fitalanjonan'izay rehetra mandalo azy ka hatao hoe: Naninona re no dia nataon'i Jehovah toy izao ity tany sy ity trano ity?",
"22": "Ary hisy hamaly hoe: Satria nahafoy an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta izy ka nikikitra tamin'andriamani-kafa sady niankohoka teo anatrehany sy nanompo azy, koa izany no nampidirany izao loza rehetra izao taminy."
},
"8": {
"1": "Ary nony afaka ny roa-polo taona naonaovan'i Solomona ny tranon'i Jehovah sy ny lapan'ny tenany,",
"2": "dia namboariny ny tanana izay nomen'i Hirama azy ka namponenany ny Zanak'isiraely.",
"3": "Ary Solomona nankany Hamata-zoba ka naharesy azy.",
"4": "Ary nanorina an'i Tadmora tany an-efitra sy ny tanana fitehirizana rehetra izay nataony tany Hamata izy.",
"5": "Ary namboariny koa Beti-horona ambony sy Beti-horona ambany, tanana mafy misy manda sy vavahady mihidy,",
"6": "ary Baleta sy ny tanana fitehirizana rehetra izay an'i Solomona sy ny tanana rehetra fitoeran-kalesy sy ny tanana fitoeran'ny mpitaingin-tsoavaly ary izay rehetra tian'i Solomona haorina tany Jerosalema sy tany Libanona ary tany amin'ny tany nanjakany rehetra.",
"7": "Ary ny amin'ny olona sisa rehetra tamin'ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, izay tsy isan'ny Isiraely",
"8": "dia ny taranany izay sisa nandimby azy teo amin'ny taniny, fa tsy naringan'ny Isiraely, no nampanaovin'i Solomona fanompoana mandraka androany.",
"9": "Fa ny Zanak'isiraely dia tsy mba nampanaovin'i Solomona izany, fa ireo kosa no miaramila sy komandin'ny mpanafika malaza ary komandin'ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny",
"10": "Ary izao no mpifehy ny olona voatendrin'i Solomona mpanjaka, dia dimam-polo amby roan-jato izay nanapaka ny olona.",
"11": "Ary Solomona nitondra ny zanakavavin'i Farao niakatra avy tany an-Tananan'i Davida ho ao amin'ny trano izay nataony ho azy, fa hoy izy: Ny vadiko tsy mahazo mitoetra ao an-tranon'i Davida, mpanjakan'ny Isiraely, fa masina izay efa nidiran'ny fiaran'i Jehovah.",
"12": "Ary tamin'izany Solomona nanatitra fanatitra dorana ho an'i Jehovah teo ambonin'ny alitaran'i Jehovah, izay naoriny teo anoloan'ny lavarangana fidirana;",
"13": "eny, nanatitra izay fanao isanandro izy araka ny didin'i Mosesy dia tamin'ny Sabata sy ny voaloham-bolana ary ny fotoam-pivavahana intelo isan-taona, dia tamin'ny andro firavoravoana fihinanana mofo tsy misy masirasira sy ny andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro ary ny andro firavoravoana fitoerana amin'ny trano rantsan-kazo.",
"14": "Ary notendreny koa ny antokon'ny mpisorona araka ny nandaharan'i Davida rainy azy ho amin'ny fanompoany avy ary ny Levita ho amin'ny anjara-raharahany koa, dia ny hidera sy hanao fanompoam-pivavahana eo anoloan'ny mpisorona araka ny raharaha fanao isan'andro, ary ny mpiandry varavarana araka ny antokony amin'ny isam-bavahady; fa izany no nandidian'i Davida lehilahin'Andriamanitra, azy.",
"15": "Ary tsy nialan'ireo ny didin'ny mpanjaka tamin'ny mpisorona sy ny Levita na amin'inona na amin'inona, indrindra fa ny amin'ny rakitra.",
"16": "Toy izany no nanamboaran'i Solomona ny asa rehetra nataony hatramin'ny andro nanorenany ny tranon'i Jehovah ka ambara-pahavitany; ka dia vita tsara ny tranon'i Jehovah.",
"17": "Ary tamin'izay Solomona dia nankany Ezion-gebera sy Elota eo amoron'ny ranomasina any amin'ny tany Edoma,",
"18": "ary ny mpanompon'i Hirama dia nampandehaniny hitondra sambo sy mpanompo izay mahay ranomasina; ary niara-nandeha tamin'ny mpanompon'i Solomona ho any Ofira ireo ka nahazo talenta volamena dimam-polo amby efa-jato tany izy, dia nentiny tany amin'i Solomona mpanjaka izany."
},
"9": {
"1": "Ary ny mpanjakavavin'i Sheba, rehefa ny nahare ny lazan'i Solomona, dia tonga tany Jerosalema hizaha toetra azy tamin'ny fanontaniana sarotra, ary maro be ny mpanaraka azy, sady be koa ny rameva izay nitondra zava-manitra sy volamena sesehena ary vato soa; ary rehefa tonga tao amin'i Solomona izy, dia niresaka taminy ny amin'izay rehetra tao am-pony.",
"2": "Ary voavalin'i Solomona izy tamin'izay rehetra nanontaniany azy; tsy nisy zavatra niafina tamin'i Solomona, fa nambarany azy avokoa.",
"3": "Ary rehefa hitan'ilay mpanjakavavin'i Sheba ny fahendren'i Solomona sy ny trano izay nataony",
"4": "sy ny hanim-pihinany teo amin'ny latabany, sy ny fipetrahan'ny tandapany sy ny fitoeran'ny mpanompony mbamin'ny fitafian'ireo sy ny mpitondra kapoakany sy ny fitafian'ireo, ary ny ambaratonga izay niakarany ho ao an-tranon'i Jehovah, dia talanjona tery; izy.",
"5": "Dia hoy izy tamin'ny mpanjaka: Marina ny teny efa reko tany amin'ny taniko ny amin'ny teninao sy ny fahendrenao.",
"6": "Kanefa tsy nino ny filazana aho, raha tsy tonga aty;, ka ny masoko no mahita; kanjo hay! na dia ny antsasaky ny fahendrenao aza tsy voalaza tamiko akory; fa, indro, mihoatra noho ny laza efa reko ianao.",
"7": "Sambatra lahy ny olonao, ary sambatra ireto tandapanao ireto, izay mijanona eto anatrehanao mandrakariva ka mandre ny fahendrenao!",
"8": "Isaorana anie Jehovah Andriamanitrao Izay tia anao ka nametraka anao amin'ny seza fiandrianany ho mpanjaka ho an'i Jehovah Andriamanitrao; fa noho ny fitiavan'Andriamanitrao ny Isiraely hampitoetra azy mandrakizay no nanaovany anao ho mpanjakany mba hanao fitsarana sy fahamarinana.",
"9": "Ary izy nanome talenta volamena roa-polo amby zato sy zava-manitra sesehena ary vato soa ho an'ny mpanjaka; tsy nisy intsony zava-manitra tahaka ilay nomen'ny mpanjakavavin'i Sheba an'i Solomona mpanjaka.",
"10": "Ary ny mpanompon'i Hirama koa sy ny mpanompon'i Solomona, izay naka volamena avy tany Ofira, dia nitondra hazo almoga sy vato soa.",
"11": "Ary ny hazo almoga dia nataon'ny mpanjaka ambaratonga mankamin'ny tranon'i Jehovah sy ny lapan'andriana ary nataony lokanga sy valiha ho an'ny mpihira koa; ary tsy mbola nisy hita toy izany teo aloha tamin'ny tanin'ny Joda.",
"12": "Ary Solomona mpanjaka dia nanome ny mpanjakavavin'i Sheba kosa izay rehetra niriny, na inona na inona nangatahiny, afa-tsy izay valin'ny nentiny ho an'ny mpanjaka; ka dia niverina izy, ary lasa nody tany amin'ny taniny izy mbamin'ny mpanompony.",
"13": "Ary ny lanjan'ny volamena izay tonga tao amin'i Solomona isan-taona dia talenta volamena enina amby enim-polo amby enin-jato,",
"14": "afa-tsy izay nentin'ny mpivarotra sy ny mpandranto. Ary ny mpanjakan'i Arabia rehetra sy ny mpanapaka ny tany dia samy nitondra volamena sy volafotsy ho an'i Solomona.",
"15": "Ary Solomona mpanjaka nanao ampinga volamena lehibe roan-jato tamin'ny volamena voafisaka, ka takela-bolamena sekely enin-jato no napetaka tamin'ny ampinga lehibe iray.",
"16": "Ary nanao ampinga volamena telonjato koa izy tamin'ny volamena voafisaka, ka takela-bolamena sekely telon-jato no napetaka tamin'ny ampinga iray. Dia napetraky ny mpanjaka tao amin'ny trano Alan'i Libanona lreo.",
"17": "Ary ny mpanjaka nanao seza fiandrianana ivory lehibe, ka nopetahany takela-bolamena tsara.",
"18": "Nisy ambaratonga enina amin'ny seza fiandrianana sy fitoeran-tongotra volamena, izay naraikitra tamin'ny seza fiandrianana, ary nisy fitehenana teo an-daniny roa tamin'ny fipetrahana ary nisy sarin-diona roa teo an-danin'ny fitehenan-tanana;",
"19": "ary nisy sarin-diona roa ambin'ny folo teo an-daniny roa teo amin'ny ambaratonga enina. Tsy nisy natao tahaka izany tany amin'ny fanjakana rehetra.",
"20": "Ary ny fisotroan'i Solomona mpanjaka dia volamena avokoa, ary ny fanaka rehetra tao amin'ny trano Alan'i Libanona koa dia volamena tsara avokoa; tsy nisy volafotsy ireo, fa natao toy ny tsinontsinona izany tamin'ny andron'i Solomona.",
"21": "Fa ny mpanjaka nanana sambo mpankany Tarsisy niaraka tamin'ny mpanompon'i Hirama; ary indray mandeha isan-telo taona no nihavian'ny sambon'i Tarsisy nitondra volamena sy volafotsy sy ivory sy rajako ary vorombola.[pavo]",
"22": "Ary Solomona mpanjaka dia nanan-karena sady hendry indrindra noho ny mpanjaka rehetra ambonin'ny tany.",
"23": "Ary ny mpanjaka rehetra ambonin'ny tany nitady hahita ny tavan'i Solomona mba hihaino ny fahendrena, izay nataon'Andriamanitra tao am-pony.",
"24": "Ary izy rehetra dia samy nahatonga ny anjarany avy isan-taona, dia fanaka volafotsy sy fanaka volamena sy fitafiana sy fiadiana sy zava-manitra sy soavaly ary ampondra.",
"25": "Ary Solomona nanana efi-trano efatra arivo fitoeran'ny soavaly mpitarika kalesy ary soavaly fitaingina roa arivo sy iray alina, izay nataony tao amin'ireo tanana fitoeran-kalesy sy tao amin'ny mpanjaka tany Jerosalema.",
"26": "Ary nanjaka tamin'ny mpanjaka rehetra hatramin'ny Ony ka hatramin'ny tanin'ny Filistina ary hatramin'ny sisin'i Egypta izy.[Eofrata]",
"27": "Ary nataon'ny mpanjaka tahaka ny vato ny habetsaky ny volafotsy tany Jerosalema, ary ny hazo sedera nataony toy ny aviavy eny amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka. [Heb. Sefela]",
"28": "Ary nangalana soavaly avy tany Egypta sy tany amin'ny tany rehetra koa Solomona.",
"29": "Ary ny tantaran'i Solomona sisa, na ny voalohany na ny farany. tsy efa voasoratra va izany ao amin'ny bokin'i Natana mpaminany sy amin'ny faminanian'i Ahia Silonita sy amin'ny fahitan'Ido mpahita ny amin'i Jeroboama, zanak'i Nebata?",
"30": "Ary Solomona nanjaka efa-polo taona tamin'ny Isiraely rehetra tany Jerosalema.",
"31": "Ary Solomona lasa nodimandry any amin'ny razany, dia nalevina tao an-Tananan'i Davida rainy izy; ary Rehoboama zanany no nanjaka nandimby azy."
},
"10": {
"1": "Ary Rehoboama nankany Sekema, fa tany no efa nalehan'ny Isiraely rehetra hampanjaka azy.",
"2": "Koa raha nandre izany Jeroboama, zanak'i Nebata, izay efa nandositra nankany Egypta niala teo anatrehan'i Solomona mpanjaka, dia niverina avy tany Egypta izy.",
"3": "Ary naniraka naka azy ny olona. Dia tonga Jeroboama sy ny Isiraely rehetra ka niteny tamin-dRehoboama hoe:",
"4": "Rainao dia nampitondra zioga mavesatra anay; fa inty kosa mby aminao ka mba hamaivano ny fanompoana mafy tamin-drainao sy ny zioga mavesatra izay nataony taminay, dia hanompo anao izahay.",
"5": "Fa hoy kosa izy taminy: Rehefa afaka hateloana, dia mankanesa aty; amiko indray. Dia lasa ny olona.",
"6": "Ary Rehoboama mpanjaka naka saina tamin'ny zoki-olona izay nitoetra teo anatrehan'i Solomona rainy fony fahavelony ka nanao hoe: Ahoana no hevitra omenareo havaly ny vahoaka?",
"7": "Dia hoy ireo taminy: Raha ho mora amin'ny vahoaka ianao ka hankasitraka azy sy hanao teny mora aminy, dia ho mpanomponao mandrakizay izy.",
"8": "Nefa nolavin-dRehoboama ny saina nomen'ireo zoki-olona azy, dia naka hevitra tamin'ny tovolahy izay indray nihira taminy sady efa nitoetra teo anatrehany izy ka nanao taminy hoe:",
"9": "Ahoana kosa no mba hevitra omenareo havalintsika ny vahoaka izay niteny tamiko hoe: Hamaivano ny zioga izay nataon-drainao taminay ?",
"10": "Ary ireo tovolahy indray nihira taminy nanao taminy hoe: Izao no lazao amin'ny vahoaka izay niteny taminao hoe: Rainao nampitondra zioga mavesatra anay; fa inty kosa mby aminao, ka mba hamaivano aminay izany, izao no lazao aminy. Ny ankihikeliko dia lehibe noho ny valahan'ny raiko;",
"11": "koa raha nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, izaho kosa dia mainka hanampy ny zioga ho entinareo; kotopia no namaizan'ny raiko anareo, fa maingoka fikapohana kosa no hamaizako anareo.",
"12": "Ary Jeroboama sy ny vahoaka rehetra dia nankany amin-dRehoboama tamin'ny andro fahatelo, araka ilay nolazain'ny mpanjaka hoe: Mankanesa aty; amiko indray amin'ny andro fahatelo.",
"13": "Ary Rehoboama mpanjaka nanao teny mafy tamin'ny olona, fa nanda ny hevitra nomen'ireo zoki-olona azy",
"14": "ka niteny taminy araka ny hevitra nomen'ireo tovolahy hoe: Nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, fa izaho kosa mainka hanampy izany; kotopia no namaizan'ny raiko anareo, fa maingoka fikapohana kosa hamaizako anareo.",
"15": "Ka dia tsy nihaino ny olona ny mpanjaka, fa avy tamin'Andriamanitra izany zavatra izany hahatanteraka ny teniny izay nampilazainy an'i Ahia Silonita tamin'i Jeroboama,zanak'i Nebata.",
"16": "Ary nony hitan'ny Isiraely rehetra fa tsy nihaino azy ny mpanjaka, dia namaly ny mpanjaka ny vahoaka ka nanao hoe: Inona moa no anjaranay amin'i Davida ? Tsy manana lova amin'ny zanak'i Jese izahay. Samia mody any an-dainy avy, ry Isiraely e! ankehitriny tandremo ny taranakao, ry Davida o. Dia samy nody ho any an-dainy avy ny Isiraely rehetra.",
"17": "Fa ny Zanak'isiraely izay nonina tany an-tananan'ny Joda ihany no nanjakan-dRehoboama.",
"18": "Ary dia naniraka an'i Adorama, komandin'ny mpanao fanompoana, Rehoboama mpanjaka, nefa ny Zanak'isiraely nitora-bato azy, ka maty izy. Dia niezaka faingana nankeo amin'ny kalesiny Rehoboama mpanjaka handositra ho any Jerosalema.",
"19": "Ka dia niodina tamin'ny taranak'i Davida ny Isiraely mandraka androany."
},
"11": {
"1": "Ary nony tonga tany Jerosalema Rehoboama, dia novoriny ny taranak'i Joda sy Benjamina, dia miaramila valo alina amby iray hetsy voafantina, hiady amin'ny Isiraely hampody ny fanjakana ho an-dRehoboama.",
"2": "Kanjo kosa ny tenin'i Jehovah tonga tamin'i Semaia, lehilahin'Andriamanitra, ka nanao hoe:",
"3": "Mitenena amin-dRehoboama, zanak'i Solomona, mpanjakan'ny Joda, sy amin'ny Isiraely rehetra amin'ny Joda sy ny Benjamina hoe:",
"4": "Izao no lazain'i Jehovah: Aza mandeha hiady amin'ny rahalahinareo, fa samia mody any an-tranony avy ianareo, fa avy amiko izao zavatra izao. Ary nihaino ny tenin'i Jehovah ny olona, ka dia samy lasa nody, fa tsy nandeha hamely an'i Jeroboama.",
"5": "Ary Rehoboama nitoetra tany Jerosalema ka nanamboatra tanana mimanda tany Joda.",
"6": "Ny namboariny dia izao: Betlehema sy Etama sy Tekoa",
"7": "sy Beti-zora sy Soko sy Adolama",
"8": "sy Gata sy Maresa sy Zifa",
"9": "sy Adoraima sy Lakisy sy Azeka",
"10": "sy Zora sy Aialona ary Hebrona, izay tanana mimanda ao amin'ny Joda sy ny Benjamina.",
"11": "Ary nanamafy ny tanana mimanda izy sady nametraka mpanapaka tao aminy ary nanisy hanina sy diloilo ary divay betsaka.",
"12": "Ary tamin'ny isam-bohitra dia nasiany ampinga lehibe sy lefona avokoa, sady nohamafiny dia nohamafiny ny vohitra; ary ny Joda sy ny Benjamina no nomba azy.",
"13": "Ary ny mpisorona sy ny Levita izay teo amin'ny Isiraely rehetra dia nanatona azy avy tany amin'ny fari-taniny avy.",
"14": "Fa ny Levita nandao ny tananany sy ny tany manodidina azy ka nankany Joda sy Jerosalema (fa Jeroboama sy ny zanany efa nanaisotra azy tsy ho mpisorona ho an'i Jehovah,",
"15": "fa nanendry mpisorona ho amin'ny fitoerana avo sy ho an'ny Se�rima ary ho an'ny ombilahy kely izay nataony). [Heb. osilahy; anaran'andriamani-tsi-izy]",
"16": "Ary na iza na iza tamin'ny firenen'Isiraely rehetra no nanolotra ny fony hitady an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, dia nanaraka ireo nankany Jerosalema hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany.",
"17": "Ka dia nampahery ny fanjakan'ny Joda izy sady nampahavitrika an-dRehoboama, zanak'i Solomona, telo taona; fa nandeha tamin'ny lalan'i Davida sy Solomona telo taona izy.",
"18": "Ary Rehoboama naka an'i Mahalota, zanakavavin'i Jerimota, zanak'i Davida, sy Abihaila, zanakavavin'i Eliaba, zanak'i Jese, ho vadiny,",
"19": "izay nahazoany zaza, dia Jeosy sy Semaria ary Zahama.",
"20": "Ary nanarakaraka azy, dia nalainy koa Imaka, zanakavavin'i Absaloma, izay niteraka an'i Abia sy Atahy sy Ziza ary Selomita taminy.",
"21": "Ary Rehoboama tia an'Imaka, zanakavavin'i Absaloma, mihoatra noho ny vadiny sy ny vaditsindranony rehetra (fa naka vady valo ambin'ny folo sy vaditsindrano enim-polo izy ka niteraka lahy valo amby roa-polo sy vavy enim-polo).",
"22": "Ary Abia, zanakalahin'Imaka, no nataon-dRehoboama lohany ho mpanapaka ny rahalahiny; fa izy no efa nokasainy hampanjakaina.",
"23": "Ary hendry izy ka nampiely ny zanany eran'ny tanin'ny Joda sy ny Benjamina rehetra, dia tany amin'ny tanana mimanda rehetra, ka nomeny hanina betsaka sady nitadiavany vady maro."
},
"12": {
"1": "Ary Rehoboama, rehefa nampandry ny ny fanjakany sady efa nahery, dia nahafoy ny lalan'i Jehovah izy sy ny Isiraely rehetra.",
"2": "Ary tamin'ny taona fahadimy nanjakan-dRehoboama mpanjaka dia niakatra Sisaka, mpanjakan'i Egypta, hamely an'i Jerosalema, fa nivadika tamin'i Jehovah ny mponina tany,",
"3": "ary nitondra kalesy roan-jato amby arivo sy mpitaingin-tsoavaly enina alina izy, ary tsy hita isa ny olona izay nanaraka azy avy tany Egypta, dia ny Lobita sy ny Sokita ary ny Etiopiana.",
"4": "Dia nahafaka ny tanana mimanda izay any Joda izy ka tonga tany Jerosalema.",
"5": "Ary Semaia mpaminany tonga tao amin-dRehoboama sy ireo mpanapaka ny Joda, izay tafangona tany Jerosalema noho ny amin'i Sisaka, ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Hianareo efa nahafoy Ahy, koa Izaho kosa dia mba nahafoy anareo ho eo an-tanan'i Sisaka.",
"6": "Dia niaiky ireo mpanapaka ny Isiraely sy ny mpanjaka ka nanao hoe: Marina Jehovah.",
"7": "Ary nony hitan'i Jehovah fa niaiky izy, dia tonga tao amin'i Semaia indray ny tenin'i Jehovah nanao hoe: Efa niaiky izy, ka dia tsy handringana azy Aho, fa tsy ho ela dia hamonjy azy; ary tsy haidiko amin'i Jerosalema avy amin'ny tanan'i Sisaka ny fahatezerako. [Na: fa hamonjeko ihany]",
"8": "Kanefa ho mpanompony ihany izy, mba hahafantarany ny fanompoana Ahy sy ny fanompoana any amin'ny fanjakana hafa.",
"9": "Dia niakatra Sisaka, mpanjakan'i Egypta, hamely an'i Jerosalema ka namabo ny rakitry ny tranon'i Jehovah sy ny rakitry ny tranon'ny mpanjaka: samy nobaboiny avokoa izy rehetra; ary nobaboiny koa ny ampinga volamena izay nataon'i Solomona.",
"10": "Ary Rehoboama mpanjaka nanao ampinga varahina ho solon'ireny ka nanolotra azy ho eo an-tanan'ny lehiben'ny mpiambina, izay niambina ny varavaran'ny tranon'ny mpanjaka.",
"11": "Ary na oviana na oviana no nidiran'ny mpanjaka tao an-tranon'i Jehovah, dia avy ny mpiambina naka ireo ka namerina azy ho ao an-tranon'ny mpiambina indray.",
"12": "Ary raha nanetry tena izy, dia niala taminy ny fahatezeran'i Jehovah ka tsy nahalany ringana azy; sady nisy fahatsaram-panahy koa tamin'ny Joda.",
"13": "Ary Rehoboama mpanjaka dia nitombo hery tany Jerosalema, ka dia nanjaka; iraika amby efa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary fito ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema, ilay tanana nofidin'i Jehovah tamin'ny firenen'Isiraely rehetra hampitoerany ny anarany. Ary ny anaran-dreniny dia Nama Amonita.",
"14": "Ary nanao ratsy izy, satria tsy nampiomana ny fony hitady an'i Jehovah.",
"15": "Ary ny tantaran-dRehoboama, na ny voalohany na ny farany, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'i Semaia mpaminany sy Ido mpahita ny amin'ny firazanana va izany? Ary niady mandrakariva Rehoboama sy Jeroboama.",
"16": "Ary Rehoboama lasa nodimandry any amin'ny razany, dia nalevina tao an-Tananan'i Davida izy; ary Abia zanany no nanjaka nandimby azy."
},
"13": {
"1": "Ary tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Jeroboama mpanjaka no vao nanjakan'i Abia tamin'ny Joda.",
"2": "Telo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Mikaia, zanakavavin'i Oriela, avy any Gibea. Ary niady Abia sy Jeroboama.",
"3": "Ary Abia niantomboka niady ka nitondra miaramila mahery, dia lehilahy efatra hetsy voafantina; ary Jeroboama kosa nandahatra ny azy hiady aminy, dia lehilahy valo hetsy voafantina, samy mahery avokoa.",
"4": "Ary Abia nijoro teo an-tendrombohitra Zemaraima, izay any amin'ny tany havoan'i Efraima, ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry Jeroboama sy ry Isiraely rehetra:",
"5": "Moa tsy tokony ho fantatrareo va fa nomen'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ho an'i Davida mandrakizay ny fanjakan'ny Isiraely? dia ho azy sy ny taranany amin'ny fanekena nasiantsira.",
"6": "Nefa kosa Jeroboama, zanak'i Nebata, mpanompon'i Sol