UNPKG

mg-bibles

Version:

A package for accessing Bible verses in Malagasy (MG), Diem, King James (KJV), and Louis Segond (APEE) versions

262 lines 144 kB
{ "1": { "1": "Ary Moaba niodina tamin'ny Isiraely, rehefa maty Ahaba.", "2": "Ary Ahazia nianjera avy teo amin'ny makarakara teo amin'ny efi-trano ambony tao Samaria ka narary; dia naniraka olona izy ka nanao taminy hoe: Mandehana, anontanio amin'i Bala-zeboba, andriamanitr'i Ekrona, na ho sitrana ihany aho amin'ity aretiko ity, na tsia.", "3": "Ary Ilay Anjelin'i Jehovah niteny tamin'i Elia Tisbira hoe: Miainga, miakara hihaona amin'ny iraky ny mpanjakan'i Samaria, ka manaova aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Moa ataonareo fa tsy misy Andriamanitra eo amin'ny Isiraely va, no mandeha hanontany amin'i Bala-zeboba, andriamanitr'i Ekrona, ianareo?", "4": "Koa noho izany dia tsy hidina hiala amin'ny farafara izay niakaranao ianao, fa ho faty tokoa. Ary dia lasa Elia.", "5": "Dia niverina tany amin'ny mpanjaka ny iraka, ka hoy izy taminy: Nahoana re no niverina ianareo?", "6": "Ary hoy ireo taminy: Nisy lehilahy niakatra nitsena anay ka nanao taminay hoe: Mandehana miverina any amin'ny mpanjaka izay naniraka anareo, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Moa ataonareo fa tsy misy Andriamanitra eo amin'ny Isiraely va, no maniraka hanontany amin'i Bala-zeboba, andriamanitr'i Ekrona, ianareo? Koa noho izany dia tsy hidina hiala amin'ny farafara izay niakaranao ianao, fa ho faty tokoa.", "7": "Ary hoy izy taminy: Lehilahy toy inona izay niakatra nitsena anareo izay ka nilaza izany teny izany taminareo?", "8": "Ary ireo namaly azy hoe: Lehilahy mitafy volom-biby izy, sady nisy fehin-kibo hoditra tamin'ny valahany. Dia hoy izy: Elia Tisbita izay.", "9": "Ary ny mpanjaka naniraka mpifehy dimam-polo anankiray mbamin'ny dimam-polo fehiny hankany aminy. Dia niakatra tany aminy izy; ka indro izy nipetraka teo an-tampon'ny tendrombohitra; ary niteny taminy ralehilahy hoe: Ry lehilahin'Andriamanitra o, mid�na ianao, antsoin'ny mpanjaka.", "10": "Fa Elia namaly ka nanao tamin'ny mpifehy dimam-polo hoe: Raha lehilahin'Andriamanitra tokoa aho, dia aoka hisy afo milatsaka avy any an-danitra handevona anao sy ny dimam-polo fehinao. Ary dia nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona azy mbamin'ny dimam-polo fehiny.", "11": "Dia naniraka mpifehy dimam-polo anankiray mbamin'ny dimam-polo fehiny hankany aminy koa ny mpanjaka. Dia niteny izy ka nanao taminy hoe: Ry lehilahin'Andriamanitra o, mid�na faingana ianao, antsoin'ny mpanjaka.", "12": "Fa namaly Elia ka nanao taminy hoe: Raha lehilahin'Andriamanitra tokoa aho, dia aoka hisy afo milatsaka avy any an-danitra ka handevona anao mbamin'ny dimam-polo fehinao. Ary dia nisy afon'Andriamanitra nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona azy mbamin'ny dimam-polo fehiny.", "13": "Ary dia naniraka mpifehy dimam-polo anankiray koa indray mbamin'ny dimam-polo fehiny izy. Dia niakatra ilay mpifehy dimam-polo ka tonga, ary nandohalika teo anatrehan'i Elia ka nifona taminy nanao hoe: Mas�na ianao, ry lehilahin'Andriamanitra o, aoka ho zava-tsoa eo imasonao ny aiko sy ny ain'ireto mpanomponao dimam-polo ireto.", "14": "Indro, efa nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona ireo roa lahy mpifehy dimam-polo ireo mbamin'ny dimam-polo fehiny avy; fa aoka kosa ho zava-tsoa eo imasonao ny aiko ankehitriny.", "15": "Ary hoy Ilay Anjelin'i Jehovah tamin'i Elia: Midina ihany hiaraka aminy ianao; fa aza matahotra azy. Ary dia niainga izy ka nidina niaraka taminy ho any amin'ny mpanjaka.", "16": "Ary hoy izy tamin'ny mpanjaka: Izao no lazain'i Jehovah: Satria naniraka olona hanontany amin'i Bala-zeboba, andriamanitr'i Ekrona, ianao, hoatra ny tsy misy Andriamanitra eo amin'ny Isiraely, dia tsy hidina hiala amin'ny farafara izay niakaranao ianao fa ho faty tokoa.", "17": "Ka dia maty izy araka ny tenin'i Jehovah izay nolazain'i Elia. Ary satria tsy nanan-janaka izy, dia Jorama no nanjaka nandimby azy tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Jehorama, zanak'i Josafata, mpanjakan'ny Joda.", "18": "Ary ny asan'i Ahazia sisa izay nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?" }, "2": { "1": "Ary nony efa hampakarin'i Jehovah ho any an-danitra amin'ny tafio-drivotra Elia, dia niara-nandeha avy tany Gilgala izy sy Elisa.", "2": "Ary hoy Elia tamin'i Elisa: Mas�na ianao, mijanona eto; fa Jehovah efa naniraka ahy hatrany Betela. Fa hoy Elisa: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny ainao, tsy handao anao mihitsy aho. Ka dia nidina nankany Betela izy roa lahy.", "3": "Ary nivoaka nankany amin'i Elisa ireo zanaky ny mpaminany izay tao Betela ka nanao taminy hoe: Fantatrao va fa anio no hangalan'i Jehovah ny tomponao hiala ho any ambonin'ny lohanao? Dia hoy izy: Eny, fantatro ihany koa izany, fa mangina ianareo.", "4": "Ary hoy Elia taminy: Mas�na ianao, ry Elisa, mijanona eto; fa Jehovah efa naniraka ahy ho any Jeriko. Fa hoy Elisa: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny ainao, tsy handao anao mihitsy aho. Ka dia tonga tany Jeriko izy roa lahy.", "5": "Ary ireo zanaky ny mpaminany izay tao Jeriko nanatona an'i Elisa ka nanao taminy hoe: Fantatrao va fa anio no hangalan'i Jehovah ny tomponao hiala ho any ambonin'ny lohanao? Ary izy namaly hoe: Eny, fantatro ihany koa izany, fa mangina ianareo.", "6": "Ary hoy Elia taminy: Mas�na ianao, mijanona eto; fa Jehovah efa naniraka ahy ho any Jordana. Fa hoy Elisa: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny ainao, tsy handao anao mihitsy aho. Ary dia lasa nandeha izy roa lahy.", "7": "Ary nisy dimam-polo lahy, zanaky ny mpaminany, nandeha, dia nijanona tandrifiny teny lavitra eny; fa izy roa lahy kosa nitsangana teo amoron'i Jordana.", "8": "Ary Elia nandray ny kapotiny ka namalona azy, dia nikapoka ny rano, ary nisaraka roa ny rano, ka dia nita tamin'ny tany maina izy roa lahy.", "9": "Ary nony efa tafita izy roa lahy, dia hoy Elia tamin'i Elisa: Angataho izay hataoko ho anao, dieny tsy mbola misaraka aminao aho. Ary hoy Elisa: Mas�na ianao, aoka ny anjaran-droa amin'ny fanahinao mba ho ahy.", "10": "Fa hoy izy: Sarotra ny nangatahinao; kanefa raha mahita ahy misaraka aminao ianao, dia ho anao ihany izany; fa raha tsy izany kosa, dia tsy ho anao izany.", "11": "Ary raha mbola nandeha sy niresaka izy roa lahy, dia, indro, nisy kalesy afo sy soavaly afo nampisaraka azy roa lahy; ary Elia niakatra tamin'ny tafio-drivotra ho any an-danitra.", "12": "Ary raha nahita izany Elisa, dia niantso hoe: Ry ikaky o, ry ikaky o, eny kalesin'ny Isiraely sy ny mpitaingin-tsoavaliny! Dia tsy nahita azy intsony izy. Ary noraisiny ny fitafiany ka notriariny roa.", "13": "Ary nalainy ny kapotin'i Elia izay latsaka avy teny aminy, dia niverina izy ka nitsangana teo amoron'i Jordana.", "14": "Dia noraisin'i Elisa ny kapotin'i Elia, ilay latsaka avy teny aminy, ka nakapony ny rano, dia hoy izy: Aiza Jehovah, Andriamanitr'i Elia? Eny, Elisa koa nikapoka ny rano, dia nisaraka roa izany, ka dia nita izy.", "15": "Ary raha nahita azy ireo ny zanaky ny mpaminany izay nanandrify azy teo Jeriko, dia nanao hoe: Ny fanahin'i Elia efa mipetraka amin'i Elisa. Ary nandeha nitsena azy ireo ka niankohoka tamin'ny tany teo anatrehany.", "16": "Dia hoy ireo taminy: Indro, misy dimam-polo lahy matanjaka ato amin'ny mpanomponao; mas�na ianao, aoka handeha hitady ny tomponao ireo, fandrao naingain'ny Fanahin'i Jehovah izy ka nazerany any an-tendrombohitra anankiray, na any an-dohasaha anankiray. Fa hoy izy: Aza maniraka ianareo.", "17": "Ary raha nanery azy ireo mandra-pikaodikaodiny, dia hoy izy: Maniraha ary. Dia naniraka dimam-polo lahy izy; ary nitady azy hateloana ireny, fa tsy nahita.", "18": "Ary tonga tao aminy indray ireny, raha mbola tao Jeriko ihany izy, dia hoy izy taminy: Tsy nilaza taminareo va aho nanao hoe: Aza mandeha?", "19": "Ary hoy ny mponina tao amin'izany tanana izany tamin'i Elisa: Mas�na ianao, indro, tsara toerana ity tanana ity, tompoko, araka izao hitanao izao, saingy ratsy rano, ary ny tany tsy mampahavanon'anaka.[Na: tsy mahavanom-boly]", "20": "Dia hoy izy: Itondray lovia vaovao aho, ka asio sira ao anatiny. Dia nentiny tany aminy izany.", "21": "Ary nivoaka nankany amin'ilay niandohan'ny rano izy, dia nanipy sira tao ka nanao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Efa nahatsara ity rano ity Aho; tsy hisy fahafatesana na tsi-fahavanonan'anaka intsony hiseho eto.[Heb. nahasitrana]", "22": "Ka dia tsara ny rano mandraka androany araka ny teny nataon'i Elisa.[Heb. sitrana]", "23": "Ary dia niakatra avy tao izy ka nankany Betela; ary nony niakatra teny an-dalana izy, dia, indreo, nisy ankizilahy madinika nivoaka avy tao an-tanana ka nanakora azy hoe: Miakara, ry ilay sola; miakara, ry ilay sola!", "24": "Ary nitodika izy ka nahita azy, dia nanozona azy tamin'ny anaran'i Jehovah. Ary dia nisy beravavy roa avy tany an'ala namiravira roa amby efa-polo tamin'ireo ankizilahy madinika ireo.", "25": "Dia niala teo Elisa ka nankany an-tendrombohitra Karmela, ary avy tao no niverenany any Samaria." }, "3": { "1": "Ary Jorama, zanak'i Ahaba, vao nanjaka tamin'ny Isiraely tao Samaria tamin'ny fahavalo ambin'ny folo taona nanjakan'i Josafata, mpanjakan'ny Joda, ary nanjaka roa ambin'ny folo taona izy.", "2": "Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah koa izy, nefa kosa tsy dia tahaka an-drainy, na tahaka an-dreniny; fa nanaisotra ilay tsangam-baton'i Bala izay nataon'drainy izy;", "3": "nefa izy nikikitra tamin'ny fahotan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely, fa tsy niala tamin'izany.", "4": "Ary Mesa, mpanjakan'i Moaba, nanana ondry betsaka; ary nandoa hetra ho an'ny mpanjakan'ny Isiraely izy, dia zanak'ondry iray hetsy sy ny volon'ondrilahy iray hetsy.[Na: ny volon-janak'ondry iray hetsy sy ondrilahy iray hetsy]", "5": "Fa rehefa maty Ahaba, dia niodina tamin'ny mpanjakan'ny Isiraely ny mpanjakan'i Moaba.", "6": "Ary Jorama mpanjaka nivoaka avy tany Samaria tamin'izany andro izany ka nandamina ny Isiraely rehetra.", "7": "Ary nandeha izy, dia naniraka tany amin'i Josafata, mpanjakan'ny Joda, ka nanao hoe: Ny mpanjakan'i Moaba efa niodina tamiko: koa mba hiaraka amiko va ianao hiady aminy? Ary hoy izy: Eny, handeha aho, fa tahaka ny tenanao ihany aho, ka ny oloko dia olonao, ary ny soavaliko dia soavalinao.", "8": "Ary hoy izy: Aiza ary no lalana halehantsika? Ary izy namaly hoe: Ilay mamaky ny efitr'i Edoma.", "9": "Dia nandeha ny mpanjakan'ny Isiraely sy ny mpanjakan'ny Joda ary ny mpanjakan'i Edoma; ary nandeha nanodidina lalan-kafitoana izy; ary tsy nisy rano ho an'ny miaramila sy ny biby fiompy izay nentiny.", "10": "Dia hoy ny mpanjakan'ny Isiraely: Indrisy! Jehovah efa niantso ireto mpanjaka telo ireto mba hatolony eo an-tanan'i Moaba.", "11": "Ary hoy Josafata: Tsy misy mpaminanin'i Jehovah va eto hanontaniantsika amin'i Jehovah? Ary nisy anankiray tamin'ny mpanompon'ny mpanjakan'ny Isiraely namaly ka nanao hoe: Ato ihany Elisa, zanak'i Safata, ilay mpanondra-drano ny tanan'i Elia.", "12": "Ary hoy Josafata: Ao amin'izy io tokoa ny tenin'i Jehovah. Dia nidina nankany amin'i Elisa ny mpanjakan'ny Isiraely sy Josafata ary ny mpanjakan'i Edoma.", "13": "Ary hoy Elisa tamin'ny mpanjakan'ny Isiraely: Moa mifaninona akory izaho sy ianao? Mandehana any amin'ny mpaminanin-drainao sy ny mpaminanin-dreninao ianao. Fa hoy ny mpanjakan'ny Isiraely taminy: Tsia, fa Jehovah efa niantso ireto mpanjaka telo ireto mba hatolony eo an-tanan'i Moaba.", "14": "Dia hoy Elisa: Raha velona koa Jehovah, Tompon'ny maro, Izay itsanganako eo anatrehany, raha tsy noho ny fanajako an'i Josafata, mpanjakan'ny Joda, dia tsy hanatrika anao na hijery anao akory aho.", "15": "Nefa itondray mpitendry lokanga aho. Ary rehefa nitendry ilay mpitendry lokanga, dia nanindry an'i Elisa ny tanan'i Jehovah.", "16": "Ary hoy Elisa: Izao no lazain'i Jehovah: Ataovy feno lavaka ity lohasahan-driaka ity.", "17": "Fa hoy Jehovah: Tsy hahita rivotra na ranonorana akory ianareo; nefa ho feno rano io lohasahan-driaka io, mba hosotroinareo, dia ianareo sy ny ombinareo ary ny biby fiompinareo.", "18": "Ary ho zavatra kely ihany eo imason'i Jehovah izany; fa hanolotra ny Moabita eo an-tananareo koa Izy.", "19": "Ary handrava ny tanana mimanda rehetra sy ny tanana soa rehetra ianareo sady hikapa ny hazo tsara rehetra sy hanampina ny loharano rehetra ary hanipy vato amin'ny tany soa rehetra ho fanimbana azy.", "20": "Ary nony maraina, tokony ho tamin'ny fotoana fanaterana ny fanatitra, dia, indro, nisy rano tokoa tonga avy tamin'ny lalana mankany Edoma, ka feno rano ny tany.", "21": "Ary rehefa ren'ny Moabita rehetra fa avy miakatra hiady aminy ireo mpanjaka ireo, dia nivory izy hatramin'izay rehetra nahatam-piadiana no ho miakatra, ka dia niandry teo amin'ny sisin-taniny.[Heb. nahasikina]", "22": "Ary nony nifoha maraina koa ny Moabita, sady efa niposaka ny masoandro ka nitaratra tamin'ny rano, dia hitany ny rano tandrifiny fa mena tahaka ny ra.", "23": "Dia hoy izy: Ra io! efa nifandringana tokoa ireo mpanjaka ireo, ary efa nifamely izy rehetra; koa mamaboa amin'izao, ry Moaba!", "24": "Kanjo nony efa tonga teo an-tobin'ny Isiraely izy, dia nitsangana ny Isiraely ka namely ny Moabita, dia nandositra teo anoloany ireo; fa ny Isiraely niditra hatrany amin'ny tanin'ny Moabita ka mbola namely azy ihany.", "25": "Dia nandrava ny tanana izy ary samy nanipy vato tamin'ny tany soa rehetra ka nahafeno azy, ary nanampina ny loharano rehetra koa izy sady nikapa ny hazo tsara rehetra mandra-paha-tsy nisy vato intsony afa-tsy ny tao Kira-haresa ihany; ary na dia io aza dia nohodidinin'ny mpandefa antsamotady ka nasiany.", "26": "Ary rehefa hitan'ny mpanjakan'i Moaba fa tsy tohany ny ady, dia nitondra fiton-jato lahy nahay sabatra nomba azy izy mba hanivakivaka hitsin'ny mpanjakan'i Edoma; nefa tsy afaka izy.", "27": "Ary nalainy ny zanany lahimatoa, izay natao hanjaka handimby azy, ka nateriny ho fanatitra dorana teo ambonin'ny manda. Dia niharan'ny fahatezerana mafy ny Isiraely, dia niala taminy ary niverina ho any amin'ny taniny izy." }, "4": { "1": "Ary nisy vehivavy anankiray, vadin'ny zanaky ny mpaminany, nitaraina tamin'i Elisa hoe: Maty ny vadiko mpanomponao; ary ianao mahalala fa natahotra an'i Jehovah ny mpanomponao; nefa tonga ny tompo-trosa haka ny zanako mirahalahy ho andevony", "2": "Dia hoy Elisa taminy: Inona ary no hataoko ho anao? Lazao amiko: inona avy no anananao ao an-trano? Fa hoy ravehivavy: Ny ankizivavinao tsy manana na inona na inona ao an-trano afa-tsy diloilo iray tavoara monja.", "3": "Ary hoy izy: Andeha mindram-bilany amin'ny namanao rehetra manodidina, dia vilany tsy misy zavatra, nefa aza atao vitsy.", "4": "Ary rehefa tafiditra ianao, dia aoka hirindrim-baravarana ianao sy izy mirahalahy zanakao, ary manidina amin'izany vilany rehetra izany, dia atokany izay feno.", "5": "Dia niala teo aminy ravehivavy ka nirindrim-baravarana mbamin'izy mirahalahy zanany, ary izy mirahalahy nitondra ny vilany ho any aminy, fa reniny kosa nanidina ny diloilo.", "6": "Ary nony feno ny vilany, dia hoy izy tamin'ny zanany: Itondray vilany iray koa aho. Fa hoy kosa ireo taminy: Tsy misy vilany intsony. Ary dia nitsahatra ny diloilo.", "7": "Dia avy ravehivavy ka nilaza tamin'ny lehilahin'Andriamanitra. Ary hoy kosa izy: Mandehana, amidio ny diloilo, ka anefao izay trosan'olona aminao, ary izay sisa dia hivelomanao sy ny zanakao.", "8": "Ary tamin'ny indray andro Elisa dia nankany Sonema, ary nisy vehivavy mpanankarena teo izay nanery azy hihinan-kanina. Ary isaky ny mandalo izy, dia nivily nankao aminy hihinan-kanina.", "9": "Ary hoy ravehivavy tamin'ny lahy; Indro, fantatro fa masina sady lehilahin'Andriamanitra ilay mpandalo eto amintsika mandrakariva.", "10": "Mas�na ianao, andeha isika hanao efi-trano kely ambony rihana; ary hasiantsika fandriana sy latabatra sy seza ary fanaovan-jiro ho azy ao; ary raha tonga eto amintsika izy, dia ao no hipetraka.", "11": "Ary tamin'ny indray andro dia tonga tao Elisa ka nipetraka tao amin'ilay efi-trano ambony ary nandry tao.", "12": "Ary hoy izy tamin'i Gehazy zatovony: Antsoy ilay Sonemita. Ary rehefa nantsoiny ravehivavy, dia nitsangana teo anatrehany izy.", "13": "Ary hoy Elisa tamin'i Gehazy: Mba lazao amin-dravehivavy hoe: Indro, efa niahy anay tamin'izao fiahiana rehetra izao ianao, koa inona kosa no mba hatao ho anao? Tianao holazaina amin'ny mpanjaka va ianao, na amin'ny komandin'ny miaramila? Dia namaly ravehivavy hoe: Mitoetra aty; amin'ny fireneko aho.", "14": "Ary hoy Elisa: Fa inona ary no hatao ho anao? Dia namaly Gehazy hoe: Tsy hitanao va fa tsy manan-janaka izy, sady efa antitra ny lahy?", "15": "Ary hoy Elisa: Antsoy ary izy. Ary nony nantsoiny izy, dia nitsangana teo am-baravarana.", "16": "Dia hoy izy: Raha mby amin'ny fotoana, raha avy ny taona toy izao, dia hitrotro zazalahy ianao. Ary hoy ravehivavy: Tsia, ry tompoko, lehilahin'Andriamanitra, aza mandainga amin'ny ankizivavinao.", "17": "Koa nefa nanan'anaka tokoa ravehivavy, ka nony niherina ny taona, dia tera-dahy izy tamin'ilay fotoana nolazain'i Elisa taminy.", "18": "Ary nony efa lehibe ny zaza, dia nankany amin'ny rainy tany amin'ny mpijinja vary izy indray andro,", "19": "Ary hoy izy tamin-drainy: Edrey! ny an-dohako! ny an-dohako! Ary hoy rainy tamin'ny zatovo anankiray: Ento ho any amin-dreniny izy.", "20": "Dia notrotroin'ilay zatovo izy ka nentiny ho any amin-dreniny, ary nampofoiny izy mandra-pitataovovonan'ny andro, dia maty.", "21": "Ary ravehivavy niakatra ka nampandry azy teo amin'ny fandrian'ilay lehilahin'Andriamanitra, dia narindriny ny trano, ka nivoaka izy.", "22": "Ary niantso ny vadiny izy ka nanao hoe: Mas�na ianao, asaovy misy zatovo anankiray mankaty amiko mitondra borikivavy anankiray, fa handeha faingana ho any amin'ny lehilahin'Andriamanitra aho, dia hiverina indray.", "23": "Fa hoy ny lahy: Inona no hankanesanao any aminy anio, nefa tsy mba andro tsinam-bolana na Sabata tsinona izao? Ary hoy ravehivavy: Ka nahoana aza?", "24": "Ary ravehivavy dia nanisy lasely ny borikivavy, ka hoy izy tamin'ny zatovony: Ampandehano, izy ka mizora; aza miahotrahotra akory amin'ny fampandehananao azy, raha tsy ampijanoniko ianao.", "25": "Dia lasa ravehivavy nankany amin'ny lehilahin'Andriamanitra tany an-tendrombohitra Karmela. Ary raha vao tazan'ny lehilahin'Andriamanitra avy ery; izy, dia hoy izy tamin'i Gehazy zatovony: Ilay Sonemita lahy iry;", "26": "mas�na ianao, mihazakazaha hitsena azy, ka ataovy aminy hoe: Tsara ihany va ianao: Tsara ihany va ny vadinao? Tsara ihany va ny zazalahy? Ary hoy ny famaliny: Tsara ihany.", "27": "Ary rehefa tonga tany amin'ny lehilahin'Andriamanitra tany an-tendrombohitra izy, dia nandray ny tongony; fa Gehazy nanatona hampiala azy. Nefa hoy ny lehilahin'Andriamanitra: Avelao ihany izy, fa ory ny fanahiny ao anatiny, ary Jehovah efa nanafina izany tamiko, fa tsy nanambara tamiko.", "28": "Dia hoy ravehivavy: Moa naniry zaza taminao va aho, tompoko? Tsy hoy va aho: Aza mamitaka ahy?", "29": "Ary hoy izy tamin'i Gehazy: Misikina, ary ento eny an-tananao ny tehiko, ka mandehana, raha mifanena amin'olona ianao, aza miarahaba azy; ary raha misy miarahaba anao, aza mamaly azy akory; ary apetraho eo amin'ny tavan'ny zazalahy ny tehiko.", "30": "Ary hoy ny renin'ny zazalahy: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny ainao, dia tsy hiala aminao mihitsy aho. Ary ilay lehilahin'Andriamanitra nitsangana ka nanaraka azy.", "31": "Ary Gehazy nialoha azy ka nametraka ny tehina teo amin'ny tavan'ny zazalahy; fa tsy nisy feo na faharenesana. Dia niverina nitsena azy indray izy ka nilaza taminy hoe: Tsy mahatsiaro akory ny zazalahy.", "32": "Ary rehefa tonga tao an-trano Elisa, indro, maty ny zazalahy sady nampandrina teo am-pandriany.", "33": "Ary niditra izy, ka nirindrim-baravarana tao izy roa lahy, ary Elisa nivavaka tamin'i Jehovah.", "34": "Ary niakatra izy ka nandry niampatra tambonin'ny zazalahy, ka ny vavany nataony tamin'ny vavany, ary ny masony tamin'ny masony, ary ny tanany tamin'ny tanany, ka dia nafana ny tenan'ny zazalahy.", "35": "Dia niasa-dia tao an-trano izy ary niverina niampatra taminy indray; dia nievina impito ny zazalahy, ary nihiratra ny masony.", "36": "Ary Elisa niantso an'i Gehazy ka nanao hoe: Antsoy ilay Sonemita. Dia nantsoiny izy. Ary rehefa tafiditra tao aminy izy, dia hoy Elisa: Raiso ny zanakao.", "37": "Dia niditra ravehivavy ka niantoraka tamin'ny tongony sady niankohoka tamin'ny tany, dia nandray ny zanany izy ka lasa nivoaka.", "38": "Ary Elisa niverina nankany Gilgala; ary nisy mosary tamin'ny tany; ary ny zanakalahin'ny mpaminany nipetraka teo anatrehany, ka hoy izy tamin'ny zatovony: Ataovy eo an-tokoana ny vilany lehibe, ary mahandroa hanina ho an'ny zanakalahin'ny mpaminany.", "39": "Ary ny anankiray nivoaka tany an-tsaha hitsongo anana ka nahita voantangomboalavo maniry ho azy, dia nanangona voany iray trotroana avy amin'io; ary nony tonga izy, dia nosolatsolarany narotsany tao amin'ny vilany nisy ny hanina, fa tsy nisy nahafantatra.", "40": "Ka dia noloarany hohanin'ny olona izany. Ary raha mbola nihinana izy, dia nitaraina hoe: Ry lehilahin'Andriamanitra o, misy mahafaty ao am-bilany. Ary tsy azony nohanina.[Heb. fahafatesana]", "41": "Fa hoy Elisa: Itondray koba. Dia narotsany tao am-bilany ny koba, ka hoy izy: Andoary amin'izao ny olona hohaniny. Ary dia tsy nisy zavatra nampaninona intsony tao am-bilany.", "42": "Ary nisy lehilahy avy tany Bala-salisa nitondra mofo avy amin'ny voaloham-bokatra ho an'ny lehilahin'Andriamanitra, dia mofo vary hordea roa-polo sy salohim-bary maitso tao an-kitapo. Dia hoy Elisa: Omeo ny olona hohaniny ireny.", "43": "Fa hoy kosa ny mpanompony: Hataoko ahoana no fametraka ity eo anoloan'ny zato lahy? Ary hoy indray Elisa: Omeo ihany ny olona hohaniny; fa izao no lazain'i Jehovah: Hihinana izy, ary mbola hisy sisa tsy lany.", "44": "Dia narosony teo anoloany, ka dia nihinana izy, ary mbola nisy sisa tsy lany aza araka ny tenin'i Jehovah." }, "5": { "1": "Ary Namana, komandin'ny miaramilan'ny mpanjakan'i Syria, dia olona lehibe teo anatrehan'ny tompony sady nanan-kaja, satria izy no namonjen'i Jehovah an'i Syria; ary lehilahy mahery izy, nefa kosa boka.", "2": "Ary ny Syriana nivoaka nanao an-tokony ka nitondra ny zazavavy kely anankiray babo avy tany amin'ny tanin'ny Isiraely; ary nanompo ny vadin'i Namana io.", "3": "Ary hoy io tamin'ny tompovaviny: Enga anie ka mba ao amin'ny mpaminany izay any Samaria ny tompoko! dia hahasitrana azy amin'ny habokany izy.", "4": "Ary niditra Namana ka nilaza tamin'ny tompony hoe: Izany ka izany no nolazain'ilay zazavavy izay avy tany amin'ny tanin'ny Isiraely.", "5": "Dia hoy ny mpanjakan'i Syria: Andeha ary mandeha, fa hampitondra taratasy ho any amin'ny mpanjakan'ny Isiraely aho. Dia lasa izy sady nitondra talenta volafotsy folo sy volamena enina arivo sekely ary akanjo im-polo miova teny an-tanany.", "6": "Ary izy nitondra ny taratasy ho any amin'ny mpanjakan'ny Isiraely nanao hoe: Ary raha tonga aty; aminao ity taratasy ity, dia ho fantatrao fa efa nampandeha an'i Namana mpanompoko aho hankaty; aminao, koa sitrano amin'ny habokany izy.", "7": "Ary nony efa novakin'ny mpanjakan'ny Isiraely ny taratasy, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nanao hoe: Andriamanitra va aho ka hahafaty na hahavelona, no anirahan'ilehiny aty; amiko mba hahasitrana olona amin'ny habokany? Koa mas�na ianareo, fantaro sy izahao fa mila ady amiko mihitsy izy.", "8": "Ary rehefa ren'i Elisa, lehilahin'Andriamanitra, fa nandriatra ny fitafiany ny mpanjakan'ny Isiraely, dia naniraka tany amin'ny mpanjaka izy ka nanao hoe: Nahoana no nandriatra ny fitafianao ianao? Aoka izy hankaty; amiko, dia ho fantany fa misy mpaminany tokoa ao amin'ny Isiraely.", "9": "Ary dia nandeha Namana nitondra ny soavaliny sy ny kalesiny ka nijanona teo am-baravaran'ny tranon'i Elisa.", "10": "Ary Elisa naniraka olona tany aminy hilaza hoe: Mandehana, mandroa impito ao Jordana, dia hody aminao indray ny nofonao, ka hadio ianao.", "11": "Fa tezitra Namana, dia lasa ka nanao hoe: Indro, nataoko fa hivoaka hankaty; amiko mihitsy izy ka hitsangana ary hiantso ny anaran'i Jehovah Andriamaniny sady hanevaheva ny tanany eo ambonin'ny aretina ka hahasitrana ny boka.", "12": "Tsy tsara noho ny ranon'ny Isiraely rehetra va Abana sy Farpara, onin'i Damaskosy? Tsy mahazo mandro ao amin'ireo va aho ka hadio? Dia nihodina izy ka lasa an-katezerana.", "13": "Dia nanatona ny mpanompony ka niteny taminy hoe: Ry ikaky o, na dia zavatra lehibe aza no nasain'ny mpaminany ho nataonao, moa tsy mba ho nataonao va izany? koa mainka va, raha hoy izy aminao: Mandroa, dia hadio ianao?", "14": "Dia nidina izy ka nisitrika tao Jordana impito araka ny tenin'ny lehilahin'Andriamanitra: ary ny nofony dia tonga tahaka ny nofon-jazakely indray, ka nadio izy.", "15": "Ary niverina nankao amin'ny lehilahin'Andriamanitra izy mbamin'izay rehetra nanaraka azy, dia tonga tao ary nitsangana teo anatrehany ka nanao hoe: Indro, fantatro fa tsy misy Andriamanitra amin'ny tany rehetra, afa-tsy ato amin'ny Isiraely ihany koa mas�na ianao, raiso ny saotra aterin'ny mpanomponao.", "16": "Fa hoy izy: Raha velona koa Jehovah, Izay itsanganako eo anatrehany, tsy handray mihitsy aho. Ary nanery azy handray izy; fa tsy nety Elisa.", "17": "Ary hoy Namana: Mas�na ianao, moa tsy homena tany zakan'ny ampondra roa va izaho mpanomponao? fa ny mpanomponao tsy mba hanatitra fanatitra dorana na fanatitra hafa intsony ho an'ny andriamani-kafa, fa ho an'i Jehovah ihany.", "18": "Nefa ny amin'izao zavatra izao dia aoka havelan'i Jehovah ny heloky ny mpanomponao: raha ny tompoko miditra ao an-tranon-dRimona hiankohoka ao ary mitehina amin'ny tanako, ka mba miankohoka ao an-tranon-dRimona aho, raha miankohoka ao aho, Jehovah anie hamela ny heloky ny mpanomponao amin'izany zavatra izany.", "19": "Ary hoy izy taminy: Mandehana soa aman-tsara. Ary dia niala taminy izy ka lasa lavidavitra.[Heb. kiba iray anaram-pandrefesana tokony ho maily iray]", "20": "Fa hoy Gehazy, zatovon'i Elisa, lehilahin'Andriamanitra: Indro, ny tompoko namela fotsiny ity Namana Syriana ity ka tsy nandray tamin'ny tanany izay zavatra nentiny, fa raha velona koa Jehovah, dia hihazakazaka hanaraka azy aho ka handray zavatra aminy.[Heb. Aramiana]", "21": "Ka dia lasa Gehazy nanaraka an'i Namana Ary nony tazan'i Namana avy mihazakazaka manaraka azy izy, dia niala faingana tamin'ny kalesy hitsena azy izy ka nanao hoe: Tsara ihany va?", "22": "Ary hoy izy: Tsara ihany; kanefa ny tompoko naniraka ahy hilaza hoe: Indro ankehitriny misy zatovo roa lahy amin'ny zanaky ny mpaminany tonga aty; amiko avy any amin'ny tany havoan'i Efraima; koa mas�na ianao, omeo talenta volafotsy sy fitafiana indroa miova izy.", "23": "Ary hoy Namana: Aoka handray talenta roa ianao. Ary nanery azy izy sady namehy talenta volafotsy roa tao anaty kitapo roa mbamin'ny fitafiana indroa miova, ka nampitondrainy ny zatovony roa lahy izany; ary nitondra izany teo alohany ireo.", "24": "Fa nony tonga tao amin'ny havoana izy, dia nalainy teny an-tanany izany ka napetrany tao an-trano; dia nampandehaniny ireo, ka dia lasa izy.", "25": "Fa Gehazy kosa niditra ka nitsangana teo anatrehan'ny tompony. Ary hoy Elisa taminy: Avy taiza ianao, ry Gehazy? Dia hoy izy: Tsy avy taiza tsy avy taiza ny mpanomponao.", "26": "Fa hoy kosa Elisa taminy: Tsy niaraka taminao ihany va ny foko tamin'ilay nihodina niala tamin'ny kalesy hitsena anao ralehilahy? Moa andro fandraisam-bola, na fandraisana fitafiana, na tanin'oliva, na tanim-boaloboka, na ondry aman'osy, na omby, na ankizilahy, na ankizivavy va izao?", "27": "Koa ny habokan'i Namana dia hiraikitra aminao sy ny taranakao mandrakizay. Ary niala teo anatrehany izy ka, indro, boka fotsy toy ny oram-panala." }, "6": { "1": "Ary hoy ireo zanaky ny mpaminany tamin'i Elisa: Indro, tsy omby anay ny toerana izay itoeranay eto aminao.", "2": "Mas�na ianao, aoka hankany Jordana izahay, ka samy haka hazo iray avy any, dia hanao trano ho anay any mba hitoeranay. Ary hoy izy: mandehana ary ianareo.", "3": "Fa hoy ny anankiray: Mas�na ianao, aoka mba hiaraka amin'ny mpanomponao ho any koa ianao. Ary izy namaly hoe: Handeha ihany aho.", "4": "Ka dia niaraka taminy izy. Ary nony tonga tany Jordana ireo, dia nikapa hazo.", "5": "Fa nony nikapa hazo ny anankiray, dia latsaka tany anaty rano ny lela-famaky; ka dia nitaraina hoe izy: Indrisy, tompoko, nindramina iny.[Heb. ny vy]", "6": "Ary hoy ny lehilahin'Andriamanitra: Taiza no nahalatsahany? Dia natorony azy izay nahalatsahany. Ary Elisa nanapaka hazo, ka natsipiny teo, dia nitsinkafona ilay lela-famaky.", "7": "Ary hoy izy: Indro, raisonao izy. Dia narosony ny tanany, ka noraisiny.", "8": "Ary ny mpanjakan'i Syria niady tamin'ny Isiraely ka nilaza tamin'ny mpanompony hoe: Any Anonana no hitobiako.", "9": "Ary ilay lehilahin'Andriamanitra kosa naniraka tany amin'ny mpanjakan'ny Isiraely nanao hoe: Tandremo fandrao mankany Ananona ianao; fa any no hidinan'ny Syriana.", "10": "Ary ny mpanjakan'ny Isiraely naniraka tany amin'izay nolazain'ny lehilahin'Andriamanitra taminy sy nananarany azy, ka nampiambina tany tsy indray mandeha, na indroa aza.", "11": "Dia sosotra indrindra ny fon'ny mpanjakan'i Syria noho izany zavatra izany; koa niantso ny mpanompony izy ary nanao taminy hoe: Tsy hambaranareo ahy va izay eto amintsika momba ny mpanjakan'ny Isiraely?", "12": "Ary hoy ny mpanompony anankiray: Tsy misy, ry mpanjaka tompoko; fa Elisa mpaminany ao amin'ny Isiraely ihany no milaza amin'ny mpanjakan'ny Isiraely na dia izay teny lazainao ao amin'ny trano fandrianao aza.", "13": "Ary hoy ny mpanjaka: Andeha, izahao izay itoerany mba hanirahako hisambotra azy. Ary nolazaina taminy hoe: Indro, ao Dotana izy.", "14": "Ary dia nampandeha soavaly sy kalesy ary miaramila be ho any izy; ka tonga alina ireo ary nanodidina ny tanana.", "15": "Ary rehefa nifoha maraina koa ny zatovon'ny lehilahin'Andriamanitra ka nivoaka, dia, indreo, nisy miaramila sy soavaly ary kalesy manodidina ny tanana. Dia hoy ilay zatovo taminy: Indrisy, tompoko! Ahoana no hataontsika?", "16": "Ary hoy Elisa: Aza matahotra; fa ny momba antsika dia be noho ny momba azy.", "17": "Ary Elisa nivavaka hoe: Jehovah o, mifona aminao aho, ampahirato ny masony mba hahitany. Ary Jehovah nampahiratra ny mason'ilay zatovo; ary dia nahita izy, ka, indro, ny tendrombohitra feno soavaly sy kalesy afo manodidina an'i Elisa.", "18": "Dia nidina nankany aminy ireo, ary Elisa nivavaka tamin'i Jehovah ka nanao hoe: Mifona aminao aho, ataovy manjambena ireto olona ireto. Ary dia nataony manjambena ireo araka ny tenin'i Elisa.", "19": "Ary hoy Elisa taminy: Tsy ity no lalana, ary tsy ity no tanana; fa manaraha ahy ianareo, dia hitondra anareo ho any amin'ny lehilahy tadiavinareo aho. Dia nentiny nankany Samaria ireo.", "20": "Ary rehefa tonga tany Samaria izy ireo, dia hoy Elisa: Jehovah o, ampahirato ny mason'ireto mba hahitany. Ary Jehovah nampahiratra ny masony, dia nahita izy; ka, indro, tao afovoan'i Samaria izy.", "21": "Ary nony nahita azy ny mpanjakan'ny Isiraely, dia hoy izy tamin'i Elisa: Ry ikaky o, hasiako va izy? Hasiako va izy?", "22": "Fa izy namaly hoe: Aza asianao izy; moa asianao izay nobaboinao tamin'ny sabatrao sy ny tsip�kanao? Rosoy mofo sy rano eo anoloany mba hohaniny sy hosotroiny ary handehanany any amin'ny tompony.", "23": "Dia nanao fanasana lehibe ho azy ny mpanjaka; ary rehefa nihinana sy nisotro ireo, dia nampandehaniny, ary dia nankany amin'ny tompony izy. Koa dia tsy nankany amin'ny tanin'ny Isiraely intsony ny mpitoha adin'i Syria.", "24": "Ary rehefa afaka izany, Beni-hadada, mpanjakan'i Syria, namory ny miaramilany rehetra, dia niakatra ka nanao fahirano an'i Samaria.", "25": "Dia nisy mosary mafy tany Samaria; fa indro, nanao fahirano azy ireo mandra-pahatongan'ny loham-boriky ho lafo sekely valo-polo sy ny taim-boromailala ampahefatry ny kaba ho sekely dimy.", "26": "Ary raha nitsangantsangana teny ambonin'ny manda ny mpanjakan'ny Isiraely, dia nisy vehivavy nitaraina taminy hoe: Vonjeo aho, ry mpanjaka tompoko.", "27": "Ary hoy ny mpanjaka: Raha tsy vonjen'i Jehovah ianao, aiza no hamonjeko anao? Amin'ny famoloana va, sa amin'ny famiazam-boaloboka?", "28": "Ary hoy koa ny mpanjaka taminy: Inona ary no alahelonao? Ary ravehivavy namaly hoe: Hoy ity vehivavy ity tamiko: Aiza ny zanakao hohanintsika anio, ary ny zanako kosa hohanintsika rahampitso.", "29": "Ka dia nandrahoinay ny zanako ka nohaninay; ary nony ampitso, dia hoy izaho taminy: Aiza kosa ny zanakao mba hohanintsika? kanjo nafeniny ny zanany.", "30": "Ary nony nandre ny tenin-dravehivavy ny mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany; ary nitsangantsangana teny ambonin'ny manda izy, ka hitan'ny olona fa, indro lamba fisaonana no nataony manolo-koditra.[Heb. lamba malailay]", "31": "Dia hoy izy: Hataon'Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hotapahina anio ny lohan'i Elisa, zanak'i Safata.", "32": "Fa Elisa nipetraka tao an-tranony, ary ny loholona nipetraka tao aminy; ary ny mpanjaka naniraka olona avy teo aminy; fa raha tsy mbola tonga tany amin'i Elisa iny iraka iny, dia hoy izy tamin'ny loholona: Hitanareo va ny nanirahan'ity zanaky ny mpamono olona ity hanapaka ny lohako? Izahao, ka raha avy ny iraka, dia arindrino ny varavarana, ary atoseho mafy hisakana azy; tsy eo aoriany koa va ny fingadongadon'ny tongotry ny tompony?", "33": "Ary raha mbola niresaka taminy izy, indro, nidina nankao aminy ny iraka ka nanao hoe: Indro, izao loza izao avy amin'i Jehovah; ka inona intsony no anantenako an'i Jehovah?" }, "7": { "1": "Fa hoy kosa Elisa: Mihainoa ny tenin'i Jehovah ianareo: Izao no lazain'i Jehovah: Rahampitso toy izao dia ho sekely iray ny vidin'ny koba tsara toto eran'ny famarana, ary ho sekely iray koa ny vidin'ny vary hordea indroan'ny famarana ao am-bavahadin'i Samaria.[Heb. sea]", "2": "Fa namaly ny lehilahin'Andriamanitra ilay mpanafika malaza izay nitehenan'ny mpanjaka tamin'ny tanany ka nanao hoe: Indro, na dia hanao varavarankely amin'ny lanitra aza Jehovah, dia hisy izany zavatra izany va? Ary hoy Elisa: Indro, ho hitan'ny masonao indrindra izany, nefa tsy mba hihinananao.", "3": "Ary nisy boka efa-dahy teo anoloan'ny vavahady nifampiresaka hoe: Ahoana no ipetrahantsika foana eto mandra-pahafatintsika?", "4": "Raha hoy isika: Hankato an-tanana isika, dia misy mosary ao an-tanana, ka ho faty ao isika; ary raha hipetraka eto isika, dia ho faty ihany koa. Koa andeha isika hankany amin-ny tobin'ny Syriana; ka raha mamelona antsika moa izy, dia ho velona isika; fa raha mamono antsika kosa izy, dia ho faty ihany isika.", "5": "Dia niainga izy rehefa takariva hankany amin'ny tobin'ny Syriana; ary nony tonga teny an-tsisin'ny toby izy, indro, tsy nisy olona akory tao.", "6": "Fa Jehovah efa nampandre ny miaramilan'ny Syriana ny fikodiadian-kalesy sy ny fandehan'ny soavaly, dia ny firodondrodon'ny miaramila be; ary niresaka hoe izy: Injao, fa ny mpanjakan'ny Isiraely efa nanamby ny mpanjakan'ny Hetita sy ny mpanjakan'ny Egyptiana hiady amintsika.", "7": "Dia niainga izy ka riatra nandositra tamin'iny takariva iny ihany, ary nilaozany fotsiny ny tobiny, dia ny lainy sy ny soavaliny ary ny borikiny, ka lasa nandositra hamonjy ny ainy izy.", "8": "Ary rehefa tonga teny an-tsisin'ny toby ireo boka ireo, dia niditra tao amin'ny lay anankiray Izy ka nihinana sy nisotro, dia naka volafotsy sy volamena ary fitafiana, dia nandeha ka nanafina izany; ary nandeha indray izy ka niditra tao amin'ny lay anankiray koa sady naka avy tao, dia nandeha ka nanafina izany koa.", "9": "Dia nifampilaza hoe izy: Tsy mety izao ataontsika izao; ity andro ity dia andro filazana ny mahafaly, nefa mangina isika; raha hitoetra eto mandra-pahamarain'ny andro isika, dia hanan-keloka; fa andeha isika hilaza ao an-tranon'ny mpanjaka.", "10": "Dia avy izy ka niantso ny mpiambina ny vavahadin-tanana ary nilaza taminy hoe: Tonga tany an-tobin'ny Syriana izahay, ary indro fa tsy misy olona ao, na feon'olona akory aza, fa soavaly mifatotra sy boriky mifatotra, ary ny lay nilaozana fotsiny.", "11": "Ary niantso ny mpiambina ny vavahady izy, ary ireo kosa nilaza izany tao an-tranon'ny mpanjaka.", "12": "Ary ny mpanjaka nifoha raha mbola alina ka niteny tamin'ny mpanompony hoe: Aoka hambarako aminareo ange izao ataon'ny Syriana amintsika izao e! Fantany fa mosarena isika, ka dia niala tamin'ny toby izy mba hanotrika any an-tsaha ka nanao hoe: Raha mivoaka avy any an-tanana izy dia hataontsika sambo-belona, ary dia hidirantsika ny tanana.", "13": "Ary ny mpanompony anankiray namaly hoe: Mifona aminao aho, aoka hangalana soavaly dimy amin'izay sisa ato an-tanana (indro toy ny hamaroan'ny Isiraely rehetra izay mitoetra ato ireo; eny, tahaka ny hamaroan'ny Isiraely rehetra izay efa lany ritra ireo) ka haniraka hizaha izany.", "14": "Dia nalainy ny soavalin'ny kalesy roa; ary ny mpanjaka naniraka hanaraka ny miaramilan'ny Syriana ka nanao hoe: Mandehana, ka izahao.", "15": "Dia nandeha nanaraka azy hatrany Jordana ireo; ary, indreny, ny lalambe rehetra feno fitafiana sy fanaka izay efa narian'ny Syriana, raha nandositra tamin'ny fahatairana izy. Ary ny iraka niverina ka nilaza tamin'ny mpanjaka.", "16": "Dia nivoaka ny olona ka namabo ny tobin'ny Syriana. Koa ny koba tsara toto eran'ny famarana, dia sekely iray monja no vidiny, ary ny vary hordea indroan'ny famarana, dia sekely iray ihany koa ny vidiny, araka ny tenin'i Jehovah.", "17": "Ary ilay mpanafika malaza izay nitehenan'ny mpanjaka tamin'ny tanany dia notendreny hiambina ny vavahady; ary voahitsaka teo am-bavahady izy, ka dia maty araka izay nolazain'ny lehilahin'Andriamanitra, dia ilay nolazainy, raha nidina tany aminy ny mpanjaka.", "18": "Koa dia tanteraka ilay teny nolazain'ny lehilahin'Andriamanitra tamin'ny mpanjaka hoe: Raha, maraina toy izao ao am-bavahadin'i Samaria dia sekely iray monja no ho vidin'ny vary hordea indroan'ny famarana, ary ho sekely iray ihany koa ny vidin'ny koba tsara toto eran'ny famarana;", "19": "ka izany mpanafika malaza izany no namaly ilay lehilahin'Andriamanitra hoe: Indro, na dia hanao varavarankely amin'ny lanitra aza Jehovah, dia hisy izany zavatra izany va? Fa hoy Elisa: Indro, ho hitan'ny masonao indrindra izany, fa tsy mba hihinananao.", "20": "Ary dia toy izany no nanjo azy, fa ny olona nanitsaka azy teo am-bavahady, ka dia maty izy." }, "8": { "1": "Ary Elisa efa niteny tamin-dravehivavy, renin'ilay zaza maty novelominy, ka nanao hoe: Miainga, ka mandehana ianao sy ny ankohonanao, ary mivahinia any amin'izay azonao hivahiniana; fa Jehovah efa niantso ny mosary, sady efa ho tonga izany ka haharitra fito taona amin'ny tany.", "2": "Dia niainga ravehivavy ka nanao araka ny tenin'ilay lehilahin'Andriamanitra; eny, lasa izy sy ny ankohonany ka nivahiny fito taona tany amin'ny tanin'ny Filistina.", "3": "Ary nony afaka ny fito taona, dia nody avy tany amin'ny tanin'ny Filistina ravehivavy; ary lasa nitaraina tamin'ny mpanjaka izy ny amin'ny tranony sy ny taniny.", "4": "Ary ny mpanjaka niteny tamin'i Gehazy, zatovon'ny lehilahin'Andriamanitra, hoe: Mas�na ianao, lazao amiko izay zava-dehibe rehetra nataon'i Elisa.", "5": "Ary raha mbola nilazalaza tamin'ny mpanjaka ny amin'ny nameloman'i Elisa ny maty izy dia, indro, ilay vehivavy renin'ny zaza maty novelominy, nitaraina tamin'ny mpanjaka ny amin'ny tranony sy ny taniny. Ary hoy Gehazy: Ry mpanjaka tompoko o, ity ilay vehivavy, ary io koa ilay zanany maty novelomin'i Elisa.", "6": "Ary nony nanontanian'ny mpanjaka ravehivavy, dia nilaza. Ary dia notendren'ny mpanjaka ny tandapa anankiray ka nomeny teny hoe: Avereno izay azy rehetra, ary onero ny vokatry ny taniny rehetra hatramin'ny andro nialany tamin'ny tany ka mandraka ankehitriny.", "7": "Ary Elisa tonga tany Damaskosy tamin'i Beni-hadada, mpanjakan'i Syria, narary; ary nisy nanambara taminy hoe: Indro, tonga aty; ny lehilahin'Andriamanitra.", "8": "Dia hoy ny mpanjaka tamin'i Hazaela: Mitondra fanomezana eny an-tananao, ka mandehana, mitsena ilay lehilahin'Andriamanitra, ary manontania izay tenin'i Jehovah aminy ka ataovy hoe: Ho sitrana ihany va aho amin'izao aretiko izao?", "9": "Dia lasa Hazaela nitsena azy sady nitondra fanomezana tamin'izay zava-tsoa rehetra any Damaskosy, dia entana entin-drameva efa-polo; ary tonga izy ka nitsangana teo anatrehany ary nanao hoe: Beni-hadada zanakao, mpanjakan'i Syria, no naniraka ahy ho aty; aminao hanontany hoe: Ho sitrana ihany va aho amin'izao aretiko izao?", "10": "Ary hoy Elisa taminy: Mandehana, ka lazao aminy hoe: Eny, ho sitrana tokoa ianao. Kanefa Jehovah efa naneho ahy fa ho faty tokoa izy.[Na: (Tsy ho sitrana ianao; fa)]", "11": "Ary nibanjina azy mandra-pikaodikaodiny izy; ary dia nitomany ny lehilahin'Andriamanitra.", "12": "Ary hoy Hazaela: Nahoana no mitomany ianao, tompoko? Ary izy namaly hoe: Satria fantatro izay ratsy hataonao amin'ny Zanak'Isiraely: ny fiarovany mafy hodoranao, ny zatovony hovonoinao amin'ny sabatra, ny zanany madinika hotorotoroinao, ary izay bevohoka eo aminy hotatahanao.", "13": "Fa hoy Hazaela: Fa zinona moa ny mpanomponao, dia ity alika ity, no dia hahavita izany zavatra lehibe izany? Fa Elisa namaly hoe: Efa nasehon'i Jehovah tamiko fa, indro, ianao ho mpanjakan'i Syria.", "14": "Dia niala tamin'i Elisa izy ka nankany amin'ny tompony; ary izy nanontany azy hoe: Ahoana no nolazain'i Elisa taminao? Dia namaly hoe izy: Nolazainy tamiko fa ho velona tokoa ianao.", "15": "Ary nony ampitso, dia nalain'i Hazaela ny lamba firakotra ka natsobony tamin'ny rano ary nasarony ny tavan'i Beni-hadada, ka dia maty izy; ary Hazaela no nanjaka nandimby azy.", "16": "Ary tamin'ny taona fahadimy nanjakan'i Jorama, zanak'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely, no vao nanjakan'i Jehorama, zanak'i Josafata, mpanjakan'ny Joda, tamin'ny nanjakan'i Josafata tany Joda.", "17": "Roa amby telo-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary valo taona no nanjakany tany Jerosalema.", "18": "Ary nandeha tamin'ny lalan'ny mpanjakan'ny Isiraely izy, dia tahaka ny nataon'ny taranak'i Ahaba, fa ny zanakavavin'i Ahaba no vadiny, eny, nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy.", "19": "Nefa Jehovah tsy nety nandringana ny Joda noho ny amin'i Davida mpanompony, araka ilay nolazainy taminy fa homeny jiro mandrakizay ho an'ny taranany.[Na: izy sy]", "20": "Tamin'ny androny no niodinan'i Edoma ka tsy nanoa ny Joda, fa nanangana mpanjaka ho azy;", "21": "ka dia nankany Zaira Jehorama, ary ny kalesy rehetra nentiny hiaraka aminy; ary nanaovany latsak'alina ny Edomita, izay nanodidina azy, mbamin'ny komandin'ny kalesy; ary ny olona nandositra nody.[Heb. ho any an-dainy]", "22": "Ary Edoma mbola niodina ka tsy nanoa ny Joda mandraka androany. Ary Libna koa dia niodina tamin'izany andro izany.", "23": "Ary ny tantaran'i Jehorama sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va?", "24": "Ary Jehorama lasa nodimandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao an-tananan'i Davida; ary Ahazia zanany no nanjaka nandimby azy.", "25": "Ary tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo nanjakan'i Jorama, zanak'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely, no vao nanjakan'i Ahazia, zanak'i Jehorama, mpanjakan'ny Joda,", "26": "Roa amby roa-polo taona Ahazia, fony izy vao nanjaka, ary herintaona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Atalia, zanakavavin'i Omry, mpanjakan'ny Isiraely.", "27": "Ary nandeha tamin'ny lalan'ny taranak'i Ahaba izy, ka nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah tahaka ny nataon'ny taranak'i Ahaba, fa vinanton'ny taranak'i Ahaba ihany izy.", "28": "Ary niaraka tamin'i Jorama, zanak'i Ahaba, izy mba hiady amin'i Hazaela, mpanjakan'i Syria, tany Ramota-gileada; ary ny Syriana nahavoa an'i Jorama.", "29": "Dia niverina Jorama mpanjaka mba hotsaboina tao Jezirela amin'ny feriny tamin'ny nahavoazan'ny Syriana azy tao Rama, fony izy niady tamin'i Hazaela, mpanjakan'i Syria. Ary Ahazia, zanak'i Jehorama, mpanjakan'ny Joda, nidina hamangy an'i Jorama, zanak'i Ahaba, teo Jezirela, satria narary izy." }, "9": { "1": "Ary Elisa mpaminany niantso ny anankiray tamin'ny zanakalahin'ny mpaminany ka nanao taminy hoe: Misikina, dia ento eny an-tananao ity tavoara feno diloilo ity, ka mankanesa any Ramota-gileada;", "2": "ary rehefa mby any ianao, dia izahao Jeho, zanak'i Josafata, zanak'i Nimsy, ary mid�ra, ka manainga azy hiala amin'ny namany, ary ento any amin'ny efi-trano anatiny izy;", "3": "ary raiso ny tavoara feno diloilo, ka aidino amin'ny lohany, dia lazao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Efa nanosotra anao ho mpanjakan'ny Isiraely Aho. Dia vohay ny varavarana, ka mandosira, fa aza mijanona.", "4": "Ary nandeha ilay zatovo, dia ilay zatovon'ny mpaminany, nankany Ramota-gileada.[Na: ilay zatovo mpaminany]", "5": "Ary nony mby tany izy, indreo, nipetraka teo ny mpifehy ny miaramila; ary hoy izy: Ry komandy o, mitondra teny ho aminao aho. Ary hoy Jeho: Amin'iza aminay ireto moa? Ary hoy izy: Aminao, ry komandy o.", "6": "Ary nitsangana izy ka niditra tao an-trano, dia naidiny tamin'ny lohany ny diloilo; ary hoy izy taminy: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Efa nanosotra anao Aho ho mpanjakan'ny Isiraely oloko.", "7": "Ary hamely ny tamingan'i Ahaba tomponao ianao, mba hampanodiaviko an'i Jezebela ny ran'ny mpaminany mpanompoko sy ny ran'ny mpanompon'i Jehovah rehetra.", "8": "Eny, ho fongotra ny taranak'i Ahaba rehetra; ary haringako avokoa ny lehilahy rehetra amin'ny tamingany, na ny voahazona na ny afaka eo amin'ny Isiraely;", "9": "Ary ny taranak'i Ahaba hataoko tahaka ny taranak'i Jeroboama, zanak'i Nebata, sy tahaka ny taranak'i Basa, zanak'i Ahia;", "10": "Ary Jezebela hohanin'ny alika ao amin'ny tany Jezirela, ka tsy hisy handevina azy. Dia namoha ny varavarana ilay zatovo ka lasa nandositra.", "11": "Ary Jeho nivoaka nankao amin'ny mpanompon'ny tompony ary nanontaniany hoe: Raharaha tsara ihany va? Inona no nalehan'iny ilay adala iny tao aminao? Ary hoy izy taminy: Hianareo mahalala ihany an-dralehilahy sy ny heviny.", "12": "Fa hoy ireo: Lainga foana izany; fa ambarao aminay. Dia hoy izy: Izao ka izao no nolazainy tamiko: Izao ny lazain'i Jehovah: Efa nanosotra anao ho mpanjakan'ny Isiraely Aho.", "13": "Dia samy nandray faingana ny lambany avy izy ireo ka namelatra azy hitoeran'i Jeho teo amin'ny ambaratonga, ary nitsoka ny anjomara izy niantso hoe: Jeho no mpanjaka.", "14": "Ary Jeho, zanak'i Josafata, zanak'i Nimsy, nikomy tamin'i Jorama (fa Jorama mbamin'ny Isiraely rehetra niaro an'i Ramota-gileada noho ny fananihan'i Hazaela, mpanjakan'i Syria, azy;", "15": "Nefa Jorama mpanjaka efa niverina hotsaboina tao Jezirela amin'ny feriny tamin'ny nahavoazan'ny Syriana azy, fony izy niady tamin'i Hazaela, mpanjakan'i Syria), ka dia hoy Jeho; Raha izany ary no sitrakareo, aza avela hisy hiala eto an-tanana handeha hilaza izany any Jezirela.", "16": "Dia niakatra teo amin'ny kalesy Jeho ka nankany Jezirela, fa tany no nitoeran'i Jorama. Ary Ahazia, mpanjakan'ny Joda, efa nidina hamangy an'i Jorama.", "17": "Ary ny mpitily mitsangana teo an-tampon'ny tilikambo teo Jezirela ka nahatazana fa indrery olona betsaka tamy niaraka amin'i Jeho, ary hoy izy: Mahita olona betsaka aho. Ary hoy Jorama: Maka mpitaingin-tsoavaly, ka maniraha hitsena azy, ary asaovy manao hoe: Fihavanana va?", "18": "Dia nandeha ny mpitaingin-tsoavaly anankiray hitsena azy ka nanao taminy hoe: Izao no tenin'ny mpanjaka: Fihavanana va? Ary hoy Jeho: Ahoanao izay fihavanana? fa mankanesa ato aoriako ianao. Ary ny mpitily nilaza hoe: Ny iraka dia tonga teny aminy, nefa tsy niverina.", "19": "Dia naniraka mpitaingin-tsoavaly fanindroany Jorama, ary nony tonga teny koa izy, dia nanao hoe: Izao no tenin'ny mpanjaka: Fihavanana va? Ary Jeho namaly hoe: Ahoanao izay fihavanana? fa mankanesa ato aoriako ianao.", "20": "Ary ny mpitily nilaza indray hoe: Tonga teny aminy koa iny, fa tsy niverina; ary ny fampiriotrany dia hoatra ny fampiriotran'i Jeho, zanak'i Nimsy; fa mampiriotra hoatra ny olona adala izy.", "21": "Ary hoy Jorama: Ampiomany. Dia nampiomaniny ny kalesiny. Dia nivoaka Jorama, mpanjakan'ny Isiraely, sy Ahazia, mpanjakan'ny Joda, samy nitsangana teo amin'ny kalesiny avy ka nandeha hitsena an'i Jeho, ary nifanena taminy teo amin'ny tanin'i Nabota Jezirelita