UNPKG

mg-bibles

Version:

A package for accessing Bible verses in Malagasy (MG), Diem, King James (KJV), and Louis Segond (APEE) versions

67 lines (66 loc) 11.3 kB
{ "1": { "1": "Izao no tenin\u2019i Jehovah tamin\u2019i Zefania, zanak\u2019i Kosy, zanak\u2019i Gedalia, zanak\u2019i Amaria, zanak\u2019i Hezekia, tamin\u2019ny andron\u2019i Josia zanak\u2019i Amona mpanjakan\u2019ny Joda:", "2": "\u201cHaripako tanteraka tsy hisy eny ambonin\u2019ny tany ny zava-drehetra\u201d, hoy i Jehovah.", "3": "\u201cHaripako ny olona sy ny biby. Haripako ny voro-manidina eny amin\u2019ny lanitra sy ny trondro any an-dranomasina, Ary ny vato mahatafintohina sy ny ratsy fanahy. Hesoriko tsy hisy eny ambonin\u2019ny tany ny olona\u201d, hoy i\u00a0Jehovah.", "4": "\u201cHanatsotra ny tanako aho mba hamely an\u2019i Joda Sy ny mponina rehetra ao Jerosalema. Hofoanako tsy hisy ao intsony izay sisa tavela amin\u2019i Bala, Sy ny anaran\u2019ny mpisoron\u2019ny andriamani-kafa, ary ny anaran\u2019ny mpisorona hafa.", "5": "Haringako koa izay mankeny an-tampon-trano mba hiankohoka amin\u2019izay rehetra eny amin\u2019ny lanitra. Haringako izay miankohoka ka mianiana fa tsy hivadika amin\u2019i Jehovah, Nefa koa mianiana hoe tsy hivadika amin\u2019i Malkama,", "6": "Ary izay miala amin\u2019i Jehovah Sady tsy mitady an\u2019i Jehovah na manontany azy.\u201d", "7": "Mang\u00ecna eo anatrehan\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony, fa akaiky ny andron\u2019i Jehovah! Efa nanomana sorona i Jehovah, ary efa nanamasina an\u2019ireo nasainy.", "8": "\u201cIzaho, Jehovah, dia hanao sorona, ary amin\u2019izay andro izay aho no hanasazy ny andriana, Sy ny taranaky ny mpanjaka, ary izay rehetra manao fitafian\u2019ny hafa firenena.", "9": "Hanasazy an\u2019izay miakatra eo amin\u2019ny lampihazo aho amin\u2019izany andro izany, Dia ireo olona be dia be mamitaka sy mahery setra ao an-tranon\u2019ny tompony.", "10": "Ary amin\u2019izany andro izany\u201d, hoy i Jehovah, \u201cDia hisy feo mikiakiaka avy any amin\u2019ny Vavahadin-trondro, Sady hisy olona hidradradradra avy any amin\u2019ny tan\u00e0na vaovao, Ary hisy feon-javatra midoboka mafy avy eny amin\u2019ny havoana.", "11": "Midradradradr\u00e0, ry\u00a0mponin\u2019i Maktesy, Satria ho ripaka ny mpivarotra rehetra, Ary ho ringana daholo ny mpandanja volafotsy.", "12": "Amin\u2019izany andro izany, dia hitondrako jiro i Jerosalema ka hataoko savahao. Dia hosaziko ireo olona tsy mivaky\u00a0loha, izay mieritreritra hoe: \u2018Sady tsy hanao soa i Jehovah no tsy hanisy ratsy.\u2019", "13": "Horobaina ny harenany, ary horavana ny tranony. Hanao trano izy, nefa tsy hipetraka\u00a0ao, Ary hamboly voaloboka, nefa tsy hisotro ny divay avy aminy.", "14": "Akaiky ny andro lehiben\u2019i Jehovah. Efa akaiky izy io, sady manatona haingana\u00a0be. Ho andro mangidy ilay andron\u2019i Jehovah. Hitomany mafy ny miaramila, amin\u2019izay fotoana izay.", "15": "Andron\u2019ny hatezerana izany, Andron\u2019ny fahoriana sy fijaliana, Andro hisian\u2019ny rivo-mahery sy fandravana, Andro maizina sy manjombona, Andro mandrahona sady maizim-pito,", "16": "Andro hahenoana feon\u2019anjombona sy hiakan\u2019ady, Mba hamelezana ny tan\u00e0na voaro mafy sy ny tilikambo avo eny an-jorony.", "17": "Ary hampahoriko ny olona Ka handeha hoatran\u2019ny jamba, Satria efa nanota tamin\u2019i Jehovah. Dia hararaka hoatran\u2019ny vovoka ny rany, Ary hariana hoatran\u2019ny taim-biby ny nofony.", "18": "Samy tsy hahavonjy azy amin\u2019ny andro fahatezeran\u2019i Jehovah na ny volafotsiny na ny volamenany. Fa toy ny afo ny fahatezerany ka handevona ny tany manontolo, Satria handripaka ny mponina rehetra eto an-tany izy, ary tena hahatsiravina izany.\u201d" }, "2": { "1": "Miang\u00f2na ianareo, Miang\u00f2na, ry firenena tsy mahalala menatra.", "2": "Dieny mbola tsy mihatra ny didy, Dieny mbola tsy mandalo haingana hoatran\u2019ny akofa ny andro, Dieny mbola tsy mihatra aminareo ny fahatezerana mafin\u2019i Jehovah, Ary dieny mbola tsy tonga aminareo ny andro fahatezeran\u2019i Jehovah,", "3": "Dia mitadiava an\u2019i Jehovah ianareo mpandefitra rehetra eto an-tany, Izay mankat\u00f2 ny didiny ara-drariny. Tadiavo ny fahamarinana, katsaho ny fandeferana. Angamba ho voaro ianareo amin\u2019ny andro fahatezeran\u2019i Jehovah.", "4": "Fa tsy hisy hipetraka intsony ao Gaza, Ary tsy hisy mponina ao Askelona. I Asdoda indray horoahina amin\u2019ny andro antoandro\u00a0be, Ary i Ekrona hongotana.", "5": "\u201cHahita loza ny olona mipetraka any amoron-tsiraka, dia ny firenen\u2019ny Keretita! Manameloka anareo ny tenin\u2019i Jehovah. Horavako ianao, ry Kanana tanin\u2019ny Filistinina\u00a0\u00f4, Mba tsy hisy mponina intsony.", "6": "Ary ho lasa toerana be\u00a0vilona ny morontsiraka, Ka hisy lavadrano ho an\u2019ny mpiandry ondry sy vala ho an\u2019ny ondry.", "7": "Eo no ho lasa faritra hipetrahan\u2019ny sisa amin\u2019ny taranak\u2019i Joda, Ka eo izy ireo no hiraoka ahitra. Ao amin\u2019ireo trano any Askelona izy ireo no hitsotsotra rehefa hariva. Hikarakara azy mantsy i Jehovah Andriamaniny, Ka hampody an\u2019izay babo tamin\u2019izy ireo.\u201d", "8": "\u201cEfa henoko nanala baraka ny vahoakako i Moaba, ary nanambanimbany azy ireo ny Amonita, Ka nanesoeso azy sy nirehareha hoe haka ny taniny.", "9": "Raha mbola velona koa \u00e0ry aho\u201d, hoy i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, Andriamanitry ny Israely, \u201cDia ho lasa hoatran\u2019i Sodoma i Moaba, Ary hitovy amin\u2019i Gomora ny taranak\u2019i Amona, Ka ho lasa toerana feno tsilo sy lavaka fakana sira, ary ho ngazana mandrakizay. Horobain\u2019ny sisa amin\u2019ny vahoakako izy ireo, Ary ho lasan\u2019ny sisa amin\u2019ny vahoakako ny fananany.", "10": "Izany no ho valin\u2019ny fireharehany, Satria nanesoeso izy ireo sady nanandra-tena hiady tamin\u2019ny vahoakan\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika.", "11": "Hampahatahotra i Jehovah rehefa mamely an\u2019ireo, Fa hofoanany daholo ny andriamanitra rehetra eny ambonin\u2019ny tany. Dia hiankohoka eo anatrehany ny firenena any amin\u2019ny nosy rehetra, Any amin\u2019izay misy azy avy.", "12": "Ho fatin\u2019ny sabatro koa ianareo, ry\u00a0Etiopianina.", "13": "Hanatsotra ny tanany mianavaratra izy ka handrava an\u2019i Asyria. Ary hataony tsy misy mponina i Ninive, ka ho maina\u00a0be hoatran\u2019ny tany karakaina.", "14": "Hisy andiam-biby hatoritory ao, dia ny karazana bibidia rehetra. Hisy gisandrano sy sokina hatory eo amin\u2019ireo tendron\u2019ny andry nirodana, Ary hisy feo mihirahira eo am-baravarankely. Hisy zavatra potipotika eo an-tokonana, Fa hataony miharihary ny takela-kazo sedera.", "15": "Io ilay tan\u00e0na nirehareha sy tsy nanana ahiahy, Izay nieritreritra hoe: \u2018Izaho no ambony indrindra, ary tsy misy mitovy amiko.\u2019 Dia lasa mihorohoro ny olona rehefa mahita an\u2019izay manjo azy, Ary lasa toerana fatoritorian\u2019ny bibidia izy. Haneso azy daholo izay rehetra mandalo, ka hanambana totohondry azy.\u201d" }, "3": { "1": "Hahita loza ilay tan\u00e0na mikomy sy maloto ary mampijaly vahoaka!", "2": "Tsy mihaino an\u2019iza na iza izy, ary tsy mba mandray anatra. Tsy matoky an\u2019i Jehovah izy, ary tsy manatona an\u2019ilay Andriamaniny.", "3": "Ny andrianany dia liona mierona. Ny mpitsarany indray amboadia mihaza amin\u2019ny alina, Ka na taolana iray aza tsy avelany ho tratran\u2019ny andro maraina.", "4": "Sahisahy ratsy ny mpaminaniny, sady mpamadika. Mandoto zava-masina ny mpisorony, Sady tsy miraharaha lal\u00e0na.", "5": "Manao ny rariny anefa i Jehovah, ao amin\u2019ilay tan\u00e0na, ary tsy mba manao ratsy mihitsy izy. Ampahafantariny isa-maraina ny didim-pitsarany, Hoatran\u2019ny masoandro miposaka isan\u2019andro. Ny olona tsy marina kosa tsy mahalala menatra.", "6": "\u201cNandringana firenena maro aho. Lasa tsy nisy nipetraka intsony ny tilikambony eny an-jorony. Noravaravako ny lalany ka tsy nisy mpandalo intsony. Lasa potika tanteraka ny tan\u00e0nany, ka tsy nisy mponina intsony.", "7": "Hoy aho tamin\u2019ilay tan\u00e0na: \u2018Hatahotra ahy tokoa izao ianao dia hihaino anatra.\u2019 Amin\u2019izay dia tsy ho rava ny fonenany. Tsy maintsy hosaziko izy noho ireny zavatra rehetra nataony ireny. Vao mainka anefa izy ireo nanao ratsy.", "8": "\u2018Koa miandrasa ahy\u2019, hoy i\u00a0Jehovah, \u2018Mandra-pahatongan\u2019ny andro hitsanganako handroba. Fa izao no didim-pitsarako: Hangoniko ireo firenena ary hovoriko ireo fanjakana, Dia hisafoaka amin\u2019izy ireo aho ka hanampatra ny hatezerako rehetra aminy. Fa toy ny afo ny fahatezerako ka handevona ny tany manontolo.", "9": "Amin\u2019izany dia hovako ho fiteny madio ny fitenin\u2019ny olona. Dia ho afaka hiantso ny anaran\u2019i Jehovah izy rehetra, Ka hiray hina hanompo azy.\u2019", "10": "Hitondra fanomezana ho ahy avy any amin\u2019ny faritry ny reniranon\u2019i Etiopia Ireo olona mitalaho amiko, izany hoe ny zanakavavin\u2019ny vahoakako naparitaka.", "11": "Amin\u2019izany andro izany, dia\u00a0tsy hatao afa-baraka ianao, Na teo aza ny\u00a0zava-drehetra nataonao tamin\u2019ianao nikomy tamiko. Hesoriko tsy ho eo aminao mantsy ny olona mirehareha sy miavonavona. Dia tsy hirehareha eo amin\u2019ny tendrombohitro masina intsony ianao.", "12": "Hamelako olona manetry tena sy tsy mirehareha, eo aminao. Ary ny anaran\u2019i Jehovah no hialofany.", "13": "Hanao ny marina foana ny sisa amin\u2019ny Israely, Ary tsy handainga sady tsy hamitaka. Hihinana izy ireo, hitsotsotra, ary tsy hisy hampatahotra azy.\u201d", "14": "Mihobia, ry Ziona zanakavavy\u00a0\u00f4! Manaova horakora-pandresena, ry\u00a0Israely\u00a0\u00f4! Mifalia sy miravoravoa amin\u2019ny fonao manontolo, ry\u00a0Jerosalema zanakavavy\u00a0\u00f4!", "15": "Efa nesorin\u2019i Jehovah ny didy nanameloka anao, Ary efa nampandositra ny fahavalonao izy. Eo aminao i Jehovah, ilay Mpanjakan\u2019ny Israely, Ka tsy hatahotra loza intsony ianao.", "16": "Izao no holazaina amin\u2019i Jerosalema, amin\u2019izany andro izany: \u201cAza matahotra, ry Ziona\u00a0\u00f4! Ary aza miraviravy tanana.", "17": "Eo aminao i Jehovah Andriamanitrao. Mahery izy ka hamonjy. Ho faly\u00a0be sy tena ho ravoravo izy noho ny aminao, Ary hangina izy satria tia anao. Ho faly sy hihoby izy noho ny aminao.", "18": "Ary hangoniko izay nalahelo satria hoe tsy afaka nanatrika fety. Tsy niaraka taminao teo izy ireo, satria afa-baraka noho izay nanjo azy.", "19": "Hamely an\u2019izay rehetra mampijaly anao aho, amin\u2019izany fotoana izany. Dia hovonjeko ilay vahoaka nandringa, Ary hangoniko ilay naparitaka. Hataoko izay hahatonga azy hoderaina sy halaza Manerana an\u2019ilay tany nanalam-baraka azy.", "20": "Hampodiko ianareo amin\u2019izany fotoana izany, Amin\u2019ny fotoana hanangonako anareo. Fa hataoko izay hahatonga anareo halaza sy hoderaina any amin\u2019ny firenena rehetra eny ambonin\u2019ny tany, Rehefa ampodiko izay natao babo taminareo. Dia ho hitan\u2019ny masonareo izany\u201d, hoy i Jehovah." }, "meta": { "name": "Zefania", "order": 35, "chapter_number": 3 } }