UNPKG

mg-bibles

Version:

A package for accessing Bible verses in Malagasy (MG), Diem, King James (KJV), and Louis Segond (APEE) versions

247 lines (246 loc) 44.7 kB
{ "1": { "1": "Izao no tenin\u2019i Jehovah tamin\u2019i Zakaria mpaminany zanak\u2019i Berekia, zanak\u2019i Ido, tamin\u2019ny volana fahavalo tamin\u2019ny taona faharoa nanjakan\u2019i Dariosy:", "2": "\u201cTena tezitra\u00a0be tamin\u2019ny razambenareo i Jehovah.", "3": "\u201cLazao amin\u2019ny vahoaka hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika: \u201c\u2018Miverena amiko\u2019, hoy i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, \u2018dia hiverina aminareo aho\u2019, hoy i Jehovah Tompon\u2019ny tafika.\u201d\u2019", "4": "\u201c\u2018Aza manahaka ny razambenareo. Nilaza taminy mantsy ny mpaminany fahiny hoe: \u201cIzao no tenin\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika: \u2018Mba aza atao intsony ireny zava-dratsy fanaonareo ireny.\u2019\u201d\u2019 \u201c\u2018Tsy nihaino anefa izy ireo, ary tsy niraharaha ny teniko\u2019, hoy i Jehovah.", "5": "\u201c\u2018Aiza izao ny razambenareo? Ary velona mandrakizay angaha ny mpaminany?", "6": "Tsy efa tanteraka tamin\u2019ny razambenareo ve ny teniko, ary tsy nihatra taminy ve ny didy nolazaiko tamin\u2019ny mpaminany mpanompoko?\u2019 Dia niverina tamiko izy ireo ka niteny hoe: \u2018Araka izay nataontsika ihany no ataon\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika amintsika, satria efa tapa-kevitra ny hanao an\u2019izany izy.\u2019\u201d", "7": "Izao indray no tenin\u2019i Jehovah tamin\u2019i Zakaria mpaminany zanak\u2019i Berekia, zanak\u2019i Ido, tamin\u2019ny andro faha-24 amin\u2019ny volana faha-11, izany hoe ny volana Sebata, tamin\u2019ny taona faharoa nanjakan\u2019i Dariosy:", "8": "\u201cIzao no fahitana hitako tamin\u2019ny alina: Iny nisy lehilahy nitaingina soavaly mena, nijanona teny amin\u2019ireo hazo mirta tao anaty tevana. Ary tao aoriany dia nisy soavaly mena, sy soavaly mivolonts\u00f4k\u00f4l\u00e0 manopy mena, ary soavaly fotsy.\u201d", "9": "Dia hoy aho: \u201cFa iza ireo, tompoko?\u201d Ary namaly ahy ilay anjely niresaka tamiko hoe: \u201cHolazaiko aminao hoe iza ireo.\u201d", "10": "Dia hoy ilay lehilahy nijanona teny amin\u2019ireo hazo mirta: \u201cIreo no nirahin\u2019i Jehovah hivezivezy eny ambonin\u2019ny tany.\u201d", "11": "Ary hoy izy ireo tamin\u2019ilay anjelin\u2019i Jehovah nijanona teny amin\u2019ireo hazo mirta: \u201cEfa nivezivezy teny ambonin\u2019ny tany izahay, ka hitanay fa milamina tsara tsy misy korontana ny tany manontolo.\u201d", "12": "Dia hoy ilay anjelin\u2019i Jehovah: \u201cRy\u00a0Jehovah Tompon\u2019ny tafika\u00a0\u00f4! Mandra-pahoviana ianao no tsy hamindra fo amin\u2019i Jerosalema sy ireo tan\u00e0nan\u2019i Joda, izay nahatezitra anao nandritra izay 70\u00a0taona izay?\u201d", "13": "Dia namaly an\u2019ilay anjely niresaka tamiko i Jehovah, ary nahafinaritra sy nampionona ny teniny.", "14": "Dia hoy indray ilay anjely niresaka tamiko: \u201cMiantsoantsoa hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika: \u201cTena hafana fo hiaro an\u2019i Jerosalema sy Ziona aho.", "15": "Tezitra\u00a0be aho, tezitra\u00a0be amin\u2019ireo firenena mieritreritra hoe milamina ny taniny. Tezitra kely ihany aho mantsy taloha, nefa izy ireo vao mainka nampitombo ny loza.\u201d\u2019", "16": "\u201cIzao \u00e0ry no tenin\u2019i Jehovah: \u2018\u201cHiverina eto Jerosalema aho ka hamindra fo aminy. Dia haorina eto ny tranoko, ary horefesina amin\u2019ny tady fandrefesana i Jerosalema\u201d, hoy i Jehovah Tompon\u2019ny tafika.\u2019", "17": "\u201cMiantsoantsoa indray hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika: \u201cMbola hitobaka ao amin\u2019ireo tan\u00e0nako ny zava-tsoa. Ary hampionona an\u2019i Ziona indray i Jehovah, sady mbola hifidy an\u2019i Jerosalema.\u201d\u2019\u201d", "18": "Ary nijery aho ka nahita tandroka efatra.", "19": "Dia hoy aho tamin\u2019ilay anjely niresaka tamiko: \u201cFa inona ireo?\u201d Dia hoy izy: \u201cIreo tandroka ireo no nanaparitaka an\u2019i Joda sy Israely ary Jerosalema.\u201d", "20": "Ary nisy mpiasa efatra nasehon\u2019i Jehovah ahy.", "21": "Dia hoy aho: \u201cFa hanao inona ireo?\u201d Dia hoy izy: \u201cIreo tandroka ireo no nanaparitaka an\u2019i Joda, ka lasa tsy nisy olona nahatraka intsony. Ary ho avy ireo mpiasa ireo ka hampitahotra sy hanjera ny tandrok\u2019ireo firenena, izay efa nampiakatra ny tandrony hamelezana ny tanin\u2019i Joda mba hanaparitahana ny vahoaka tao.\u201d" }, "2": { "1": "Ary nijery aho ka nahita lehilahy iray nitondra tady fandrefesana teny an-tanany.", "2": "Dia hoy aho: \u201cHo aiza ianao?\u201d Ary hoy izy: \u201cHandrefy an\u2019i Jerosalema aho, mba hahafantarana ny sakany sy ny lavany.\u201d", "3": "Dia lasa nandeha ilay anjely niresaka tamiko, ary nisy anjely hafa tonga nitsena azy.", "4": "Hoy izy taminy: \u201cMihazakazaha ka lazao amin\u2019ir\u1ef3 tovolahy ir\u1ef3 hoe: \u2018\u201cHisy mponina i Jerosalema, hoatran\u2019ireny tan\u00e0na any ambanivohitra ireny, satria ho maro be ny olona sy ny biby fiompy ao aminy.", "5": "Ho lasa manda\u00a0afo manodidina azy aho\u201d, hoy i Jehovah, \u201cary ho feno ny voninahitro izy.\u201d\u2019\u201d", "6": "\u201cHaingana! Mandosira avy any amin\u2019ny tany any avaratra\u201d, hoy i Jehovah. \u201cFa naparitako tany amin\u2019ny vazan-tany efatra ianareo\u201d, hoy i Jehovah.", "7": "\u201cRy Ziona\u00a0\u00f4! Mandosira ianao izay miara-mipetraka amin\u2019i Babylona zanakavavy.", "8": "Rehefa avy nomena voninahitra i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, dia naniraka ahy ho any amin\u2019ireo firenena nandroba anareo. Dia hoy izy: \u2018Izay mikasika anareo dia mikasika ny anakandriamasoko.", "9": "Hambanako amin\u2019ny tanako izy, ka horobain\u2019ny mpanompony taloha ny fananany.\u2019 Dia ho fantatrareo tokoa fa i Jehovah Tompon\u2019ny tafika no naniraka ahy.", "10": "Ary hoy i Jehovah: \u201cMihobia, ry\u00a0Ziona zanakavavy\u00a0\u00f4, fa ho avy aho dia honina eo aminao.", "11": "Firenena maro no hiandany amin\u2019i Jehovah amin\u2019izany andro izany, ka ho lasa vahoakako. Dia honina eo aminao aho.\u201d Ary ho fantatrao fa i Jehovah Tompon\u2019ny tafika no naniraka ahy ho at\u1ef3 aminao.", "12": "Halain\u2019i Jehovah ho fananany i Joda, ho anjarany eo amin\u2019ny tany masina. Dia hifidy an\u2019i Jerosalema indray izy.", "13": "Mang\u00ecna eo anatrehan\u2019i Jehovah, ry\u00a0olombelona rehetra, fa miala avy ao amin\u2019ny fonenany masina izy mba hanao zavatra." }, "3": { "1": "Ary nasehony ahy i Josoa mpisoronabe, izay nijoro teo anatrehan\u2019ilay anjelin\u2019i Jehovah. Teo koa i Satana nijoro teo ankavanany mba hanohitra azy.", "2": "Dia hoy ilay anjelin\u2019i Jehovah tamin\u2019i Satana: \u201cHiteny mafy anao anie i Jehovah, ry\u00a0Satana! Hiteny mafy anao anie i Jehovah, izay nifidy an\u2019i Jerosalema! Tsy kitay sisa tsy may nosintonina avy tao anaty afo ve io lehilahy io?\u201d", "3": "Nanao akanjo maloto be i Josoa tamin\u2019izy nijoro teo anatrehan\u2019ilay anjely.", "4": "Ary hoy ilay anjely tamin\u2019ireo nijoro teo anatrehany: \u201cEsory ireny akanjony maloto ireny.\u201d Dia hoy izy tamin\u2019i Josoa: \u201cEfa namela ny fahadisoanao aho, ka hampanaovina akanjo tsara be ianao.\u201d", "5": "Dia hoy aho: \u201cAsio satroka lamba madio ny lohany.\u201d Dia nasian\u2019izy ireo satroka lamba madio ny lohany, ary nampanaoviny akanjo izy. Ary nijoro teo akaiky teo ilay anjelin\u2019i Jehovah.", "6": "Dia hoy ilay anjelin\u2019i Jehovah tamin\u2019i Josoa:", "7": "\u201cIzao no tenin\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika: \u2018Raha manaraka an\u2019izay atoroko ianao, ary manao ny andraikitra nomeko anao, dia ianao no ho mpitsara ao an-tranoko sy hikarakara ny tokotaniko. Ary havelako hiditra malalaka hankeo amin\u2019ireo mijoro ireo ianao.\u2019", "8": "\u201c\u2018Mihainoa, azafady, ry\u00a0Josoa Mpisoronabe. Mihainoa ianao sy ireo namanao mipetraka eo anatrehanao, fa atao famantarana ianareo. Efa mitondra an\u2019ilay mpanompoko atao hoe Tsimoka aho izao.", "9": "Jereo ilay vato napetrako eo alohan\u2019i Josoa! Misy maso fito eo amin\u2019ny vato iray. Ataoko sokitra ny soratra eo aminy\u2019, hoy i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, \u2018ary hesoriko ao anatin\u2019ny iray andro ny helok\u2019ity tany ity.\u2019", "10": "\u201c\u2018Amin\u2019izany andro izany\u2019, hoy i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, \u2018dia samy hanasa ny namanareo hialokaloka eo ambanin\u2019ny voalobokareo sy ny aviavinareo ianareo.\u2019\u201d" }, "4": { "1": "Niverina ilay anjely niresaka tamiko, dia namoha ahy, hoatran\u2019ny mamoha olona matory.", "2": "Dia hoy izy tamiko: \u201cInona no hitanao?\u201d Ary hoy aho: \u201cFitoeran-jiro no hitako. Volamena izy manontolo, ary misy vilia baolina iray eo an-tampony. Misy jiro fito eo amboniny. Fito ny isany. Misy fantsona fito eo amin\u2019ireo jiro, izay eo an-tampon\u2019ilay fitoeran-jiro.", "3": "Ary misy oliva roa maniry eo akaikiny, ka ny iray eo ankavanan\u2019ilay vilia baolina, ary ny iray eo ankaviany.\u201d", "4": "Dia hoy aho tamin\u2019ilay anjely niresaka tamiko: \u201cInona ny dikan\u2019ireo, tompoko?\u201d", "5": "Ary hoy ilay anjely niresaka tamiko: \u201cTsy fantatrao ve ny dikan\u2019ireo?\u201d Dia hoy aho: \u201cTsy fantatro, tompoko.\u201d", "6": "Ary hoy izy tamiko: \u201cIzao no tenin\u2019i Jehovah amin\u2019i Zerobabela: \u2018\u201cTsy amin\u2019ny alalan\u2019ny tafika, na ny hery, fa amin\u2019ny alalan\u2019ny fanahiko\u201d, hoy i Jehovah Tompon\u2019ny tafika.", "7": "Iza moa ianao, ry tendrombohitra lehibe? Ho lasa tany lemaka ianao eo anatrehan\u2019i Zerobabela. Ary hitondra an\u2019ilay vato hapetraka eny an-tampon\u2019ny tempoly izy, rehefa miantsoantso iny ny olona hoe: \u201cTsara\u00a0be izy izany! Tsara\u00a0be mihitsy!\u201d\u2019\u201d", "8": "Niteny tamiko indray i Jehovah hoe:", "9": "\u201cNy tanan\u2019i Zerobabela no nametraka ny fototr\u2019ity trano ity, ary ny tanany koa no hamita an\u2019ity trano ity.\u201d Dia ho fantatrareo fa i Jehovah Tompon\u2019ny tafika no naniraka ahy ho at\u1ef3 aminareo.", "10": "\u201cFa iza no manao tsinontsinona ny andron\u2019ny zavatra tsotsotra tany am-boalohany? Ho faly ny olona hahita ny pilao eny an-tanan\u2019i Zerobabela. Mason\u2019i Jehovah ireo fito ireo, ary mijery eny rehetra eny manerana ny tany ireo.\u201d", "11": "Dia hoy aho taminy: \u201cInona ny dikan\u2019ireo hazo oliva roa eo ankavanan\u2019ilay fitoeran-jiro sy eo ankaviany?\u201d", "12": "Nanontaniako fanindroany izy hoe: \u201cInona ny dikan\u2019ireo rantsany amin\u2019ny hazo oliva roa ireo, izay mamoaka ranon-javatra mivolombolamena avy eo amin\u2019ny fantsona volamena roa?\u201d", "13": "Ary hoy izy tamiko: \u201cTsy fantatrao ve ny dikan\u2019ireo?\u201d Dia hoy aho: \u201cTsy fantatro, tompoko.\u201d", "14": "Ary hoy izy: \u201cIreo dia voahosotra roa izay mijoro eo anilan\u2019ilay Tompon\u2019ny tany manontolo.\u201d" }, "5": { "1": "Nijery indray aho ka nahita horonam-boky nanidina.", "2": "Ary hoy ilay anjely tamiko: \u201cInona no hitanao?\u201d Dia hoy aho: \u201cHoronam-boky manidina no hitako. Mirefy 20\u00a0hakiho ny lavany, ary 10\u00a0hakiho ny sakany.\u201d", "3": "Ary hoy izy: \u201cIny ilay ozona mivoaka hitety ny tany manontolo. Tsy nosazina mantsy izay nangalatra, nefa voaozona izy araka ny voasoratra eo amin\u2019ilay horonam-boky. Tsy nosazina koa izay nianiana, nefa voaozona izy araka ny voasoratra ao ambadik\u2019ilay horonam-boky.", "4": "\u2018Nalefako ilay ozona\u2019, hoy i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, \u2018ka hiditra ao an-tranon\u2019ny mpangalatra, sy ao an-tranon\u2019izay mianiana lainga amin\u2019 ny anarako. Dia hijanona ao amin\u2019ilay trano izany, ka handrava an\u2019ilay trano sy ny hazo ary ny vato nanaovana azy.\u2019\u201d", "5": "Nanatona indray ilay anjely niresaka tamiko, ka niteny hoe: \u201cMba jereo ange iny mivoaka iny\u00a0e!\u201d", "6": "Ary hoy aho: \u201cFa inona iny?\u201d Dia hoy izy: \u201cEfaha famarana iny mivoaka iny.\u201d Hoy koa izy: \u201cHoatran\u2019iny ny ratsy fanahy rehetra eran-tany.\u201d", "7": "Nisy sarony firamainty boribory ilay famarana. Ary hitako fa rehefa ningaina ny sarony, dia io fa nisy vehivavy iray nipetraka tao anatin\u2019ilay famarana.", "8": "Ary hoy ilay anjely: \u201cIo ny Faharatsiana.\u201d Dia natosiny hiverina tao anatin\u2019ilay efaha famarana ilay vehivavy. Ary nosaronany haingana tamin\u2019ny sarony firamainty ny vavan\u2019ilay famarana avy\u00a0eo.", "9": "Dia nijery aho ka nahita vehivavy roa nanatona. Nanidina ambony\u00a0be izy ireo, ary hoatran\u2019ny elatry ny vanobe ny elany. Dia nampiakariny ho eo anelanelan\u2019ny tany sy ny lanitra ilay famarana.", "10": "Ary hoy aho tamin\u2019ilay anjely niresaka tamiko: \u201cFa hoentin\u2019izy ireo aiza iny efaha famarana iny?\u201d", "11": "Dia hoy izy: \u201cAny Sinara. Hanaovana trano any mantsy ilay vehivavy. Rehefa vita ilay trano, dia hapetraka any izy, eo amin\u2019ny toerana tokony hisy azy.\u201d" }, "6": { "1": "Dia nijery indray aho ka nahita kalesy efatra nivoaka avy teo anelanelan\u2019ny tendrombohitra roa, ary varahina ireo tendrombohitra ireo.", "2": "Mena ireo soavaly nitarika an\u2019ilay kalesy voalohany, ary mainty ireo nitarika an\u2019ilay faharoa.", "3": "Soavaly fotsy kosa ireo nitarika an\u2019ilay kalesy fahatelo, ary soavaly misy pentimpentina sy soavaly maramara no nitarika an\u2019ilay fahefatra.", "4": "Hoy aho tamin\u2019ilay anjely niresaka tamiko: \u201cInona ny dikan\u2019ireo, tompoko?\u201d", "5": "Dia hoy ilay anjely: \u201cIreo no fanahy efatry ny lanitra. Mivoaka avy eo anatrehan\u2019ilay Tompon\u2019ny tany manontolo izy ireo.", "6": "Mivoaka ho any amin\u2019ny tany any avaratra ilay kalesy tarihin\u2019ireo soavaly mainty, ary ho any amin\u2019ny tany eny ampitan\u2019ny ranomasina ireo soavaly fotsy. Ireo soavaly misy pentimpentina kosa ho any amin\u2019ny tany any atsimo.", "7": "Efa maika handeha hivezivezy eny ambonin\u2019ny tany koa anefa ireo soavaly maramara.\u201d Ary hoy ilay anjely: \u201cMandehana mivezivezy eny ambonin\u2019ny tany.\u201d Dia nivezivezy teny ambonin\u2019ny tany izy ireo.", "8": "Dia niantso ahy izy ka niteny hoe: \u201cIreo soavaly nankany amin\u2019ny tany any avaratra no nampitony an\u2019i Jehovah any amin\u2019ny tany any avaratra.\u201d", "9": "Niteny tamiko indray i Jehovah hoe:", "10": "\u201cAlaivo any amin\u2019i Helday sy Tobia ary Jedaia ny zavatra nentin-dry zareo avy tany amin\u2019ny olona tany an-tsesitany. Dia mankanesa any an-tranon\u2019i Josia zanak\u2019i Zefania, amin\u2019io andro io ihany, miaraka amin\u2019ireo olona avy tany Babylona ireo.", "11": "Mak\u00e0 volafotsy sy volamena ka manamboara satroboninahitra, dia ataovy eo amin\u2019ny lohan\u2019i Josoa mpisoronabe, zanak\u2019i Jozadaka, ilay izy.", "12": "Dia teneno izy hoe: \u201c\u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika: \u201cIty ilay lehilahy antsoina hoe Tsimoka. Hitsimoka eo amin\u2019izay misy azy izy, ka hanorina ny tempolin\u2019i Jehovah.", "13": "Izy no hanorina ny tempolin\u2019i Jehovah, ary izy koa no hahazo voninahitra. Dia hipetraka eo amin\u2019ny seza fiandrianany izy ka hanjaka. Ho mpisorona mipetraka eo amin\u2019ny seza fiandrianany koa izy. Ary hifanaraka tsara ireo andraikiny roa ireo.", "14": "Ary hatao ao amin\u2019ny tempolin\u2019i Jehovah ilay satroboninahitra, mba ho fahatsiarovana an\u2019i Helema sy Tobia sy Jedaia ary Hena, zanak\u2019i Zefania.", "15": "Ary ho tonga ny avy lavitra, ka handray anjara amin\u2019ny fanorenana ny tempolin\u2019i Jehovah koa.\u201d Dia ho fantatrareo fa i Jehovah Tompon\u2019ny tafika no naniraka ahy ho at\u1ef3 aminareo. Ho tanteraka izany, raha tena mihaino ny tenin\u2019i Jehovah Andriamanitrareo ianareo.\u2019\u201d" }, "7": { "1": "Ary tamin\u2019ny taona fahefatra nanjakan\u2019i Dariosy Mpanjaka, dia niteny tamin\u2019i Zakaria i Jehovah, tamin\u2019ny andro fahefatry ny volana fahasivy, izany hoe ny volana Kisleo.", "2": "Nirahin\u2019ny mponin\u2019i Betela i Sarezera sy Regema-meleka sy ny olony, mba hitady sitraka amin\u2019i Jehovah,", "3": "ka hanontany an\u2019ireo mpisorona tao an-tranon\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika sy hanontany ny mpaminany, hoe: \u201cTokony hitomany ve aho amin\u2019ny volana fahadimy, ka hifady hanina hoatran\u2019ny efa nataoko tao anatin\u2019izay taona maro\u00a0be izay?\u201d", "4": "Niteny tamiko indray i Jehovah Tompon\u2019ny tafika hoe:", "5": "\u201cLazao amin\u2019ny olona rehetra eto amin\u2019ity tany ity sy amin\u2019ny mpisorona, hoe: \u2018Nifady hanina sy nidradradradra ianareo tamin\u2019ny volana fahadimy sy fahafito, nandritra ny 70\u00a0taona. Noho izaho tokoa ve anefa no nahatonga anareo hifady hanina tamin\u2019ireny?", "6": "Rehefa nihinana sy nisotro ianareo, tsy ho an\u2019ny tenanareo ihany ve no nanaovanareo an\u2019izany?", "7": "Ary tsy tokony ho nankat\u00f2 ny teny nolazain\u2019i Jehovah tamin\u2019ny alalan\u2019ny mpaminany fahiny ve ianareo? Mbola nisy mponina tao Jerosalema sy tao amin\u2019ny tan\u00e0na nanodidina azy tamin\u2019izany, ary niadana izy ireo. Mbola nisy mponina koa i Negeba sy Sefela.\u2019\u201d", "8": "Niteny tamin\u2019i Zakaria indray i Jehovah hoe:", "9": "\u201cIzao no tenin\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika: \u2018Mitsar\u00e0 araka ny rariny, dia miezaha koa ho be\u00a0fitiavana sy tsy hivadika ary hamindra fo aminareo samy ianareo.", "10": "Aza manambaka ny mpitondratena, na ny kamboty ray, na ny hafa firenena, na ny mahantra. Dia aza mamorona teti-dratsy ao am-ponareo avy ianareo, mba hamelezana ny namanareo.\u2019", "11": "Tsy nety nihaino mihitsy anefa izy ireo, sady mafy loha sy nanao be\u00a0marenina.", "12": "Nataony mafy toy ny vato ny fony, dia tsy nankatoaviny ny lal\u00e0na sy ny teny nolazain\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika tamin\u2019ny alalan\u2019ny fanahiny ka nasainy nampitain\u2019ny mpaminaniny fahiny. Dia tezitra\u00a0be i Jehovah Tompon\u2019ny tafika.\u201d", "13": "\u201c\u2018Koa satria tsy nihaino izy ireo rehefa niantso aho, dia tsy hihaino koa aho rehefa miantso izy ireo\u2019, hoy i Jehovah Tompon\u2019ny tafika.", "14": "\u2018Ary naparitako tamin\u2019ny tafio-drivotra izy ireo ka niely eran\u2019ny firenena rehetra tsy fantany. Dia tsy nisy mponina intsony ilay tany rehefa nilaozan\u2019izy ireo, ka tsy nisy nandalo na niverina nankany. Lasa tsy nahafinaritra intsony ilay tany noho ny nataon\u2019izy ireo, ka nihorohoro ny olona rehefa nahita azy io.\u2019\u201d" }, "8": { "1": "Niteny indray i Jehovah Tompon\u2019ny tafika hoe:", "2": "\u201cIzao no tenin\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika: \u2018Tena hafana fo hiaro an\u2019i Ziona aho. Ho tezitra\u00a0be aho, ka hanao zavatra ho azy.\u2019\u201d", "3": "\u201cIzao no tenin\u2019i Jehovah: \u2018Hiverina ao Ziona aho, dia honina ao Jerosalema. Hantsoina hoe tan\u00e0nan\u2019ny fahamarinana i Jerosalema, ary hatao hoe tendrombohitra masina ilay tendrombohitr\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika.\u2019\u201d", "4": "\u201cIzao no tenin\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika: \u2018Hipetrapetraka eny amin\u2019ny tany malalaka ao Jerosalema indray ny lehilahy sy vehivavy zokiolona. Samy hitondra tehina izy ireo satria efa be\u00a0taona.", "5": "Ary ho feno ankizilahy sy ankizivavy milalao ny tany malalaky ny tan\u00e0na.\u2019\u201d", "6": "\u201cIzao no tenin\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika: \u2018Mety hieritreritra ny olona sisa tavela amin\u2019ity vahoaka ity amin\u2019izany andro izany hoe hoatran\u2019ny sarotra loatra izany. Ho sarotra loatra amiko koa ve anefa izany?\u2019, hoy i Jehovah Tompon\u2019ny tafika.\u201d", "7": "\u201cIzao no tenin\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika: \u2018Hovonjeko avy any amin\u2019ny tany atsinanana sy avy any andrefana ny vahoakako.", "8": "Hoentiko any Jerosalema izy ireo ka hipetraka ao. Dia ho vahoakako izy ireo, ary izaho izay manao ny marina sy mahitsy no ho Andriamaniny.\u2019\u201d", "9": "\u201cIzao no tenin\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika: \u2018Mahereza ka ataovy vonona hiasa ny tananareo, dia ianareo izay maheno an\u2019izany teny izany avy amin\u2019ny vavan\u2019ny mpaminany. Izany koa no efa nolazaina tamin\u2019ny andro nametrahana ny fototry ny tranon\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, mba hanorenana ny tempoly.", "10": "Tsy nomena karama na ny olona na ny biby, talohan\u2019izany andro izany. Nampahatahotra daholo koa izay rehetra naleha satria nisy fahavalo. Nataoko nifamely mantsy ny olona rehetra.\u2019", "11": "\u201c\u2018Tsy hataoko hoatran\u2019ny taloha intsony anefa ny hitondrako ny olona sisa tavela amin\u2019ity vahoaka ity\u2019, hoy i Jehovah Tompon\u2019ny tafika.", "12": "\u2018Fa hafafy ny voan\u2019ny fiadanana. Hamoa ny voaloboka, hamokatra ny tany, ary handrotsaka ando ny lanitra. Ary homeko ho lovan\u2019izay sisa tavela amin\u2019ity vahoaka ity izany rehetra izany.", "13": "Ry\u00a0taranak\u2019i Joda sy taranak\u2019Israely\u00a0\u00f4, taloha dia ny anaranareo no nampiasain\u2019ireo firenena rehefa nanozona. Hovonjeko anefa ianareo ka ny anaranareo indray no hampiasain\u2019ny olona rehefa mitso-drano. Aza matahotra, ary mahereza dia ataovy vonona hiasa ny tananareo.\u2019", "14": "\u201cIzao no tenin\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika: \u2018\u201cTapa-kevitra ny handefa loza taminareo aho taloha satria tena nampahatezitra ahy ny razambenareo, ary tsy nanenina aho\u201d, hoy i Jehovah Tompon\u2019ny tafika.", "15": "Dia tapa-kevitra hoatr\u2019izany koa aho izao ny hanao soa amin\u2019i Jerosalema sy ny taranak\u2019i Joda. Koa aza matahotra!\u201d\u2019", "16": "\u201c\u2018Izao no tokony hataonareo: Samia milaza ny marina amin\u2019ny namany avy. Ary tokony hanao ny rariny sy hampihavana ny olona ianareo rehefa mamoaka didim-pitsarana eo am-bavahadinareo.", "17": "Aza mamorona teti-dratsy ao am-ponareo avy ianareo, mba hamelezana ny namanareo, ary aza tia mianiana lainga. Fa halako ireo zavatra rehetra ireo\u2019, hoy i Jehovah.\u201d", "18": "Niteny tamiko indray i Jehovah Tompon\u2019ny tafika hoe:", "19": "\u201cIzao no tenin\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika: \u2018Ho faly\u00a0be sy ho ravoravo ny taranak\u2019i Joda, amin\u2019ny fotoana fifadian-kanina amin\u2019ny volana fahefatra, sy amin\u2019ny volana fahadimy, sy amin\u2019ny volana fahafito, ary amin\u2019ny volana fahafolo. Ho lasa fety\u00a0be ireo fotoana ireo. Koa tiavo ny fahamarinana sy ny fihavanana.\u2019", "20": "\u201cIzao no tenin\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika: \u2018Tsy maintsy mbola ho tonga eto ny vahoaka sy ny mponina any amin\u2019ny tan\u00e0na maro.", "21": "Dia hankany amin\u2019ny mponin\u2019ny tan\u00e0na iray ny mponin\u2019ny tan\u00e0na anankiray, ka hiteny hoe: \u201cAndao haingana hiangavy an\u2019i Jehovah mba hankasitraka antsika, sady hitady an\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika. Izaho koa mantsy mba handeha.\u201d", "22": "Hisy vahoaka maro sy firenena matanjaka ho avy mba hitady an\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika any Jerosalema, sy hiangavy an\u2019i Jehovah mba hankasitraka azy.\u2019", "23": "\u201cIzao no tenin\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika: \u2018Amin\u2019izany andro izany, dia hisy folo lahy avy amin\u2019ny fiteny rehetran\u2019ireo firenena hitazona ny akanjon\u2019ny Jiosy iray. Hitazona mafy an\u2019ilay akanjo izy ireo ka hiteny hoe: \u201cMba handeha hiaraka aminareo izahay, fa efa henonay hoe manampy anareo Andriamanitra.\u201d\u2019\u201d" }, "9": { "1": "Fanambarana: \u201cManameloka ny tany Hadraka ny tenin\u2019i Jehovah, Ary i Damaskosy no kendreny. Fa mijery ny olombelona ny mason\u2019i Jehovah, Sady mijery ny foko rehetran\u2019ny Israely.", "2": "Melohiny koa i Hamata izay eo amin\u2019ny sisin-taniny, Ary Tyro sy Sidona, fa mihevi-tena hoe hendry\u00a0be.", "3": "Nanangana manda fiarovana i Tyro, Sady nanangona volafotsy be dia\u00a0be hoatran\u2019ny vovoka, Sy volamena be dia\u00a0be hoatran\u2019ny fotaka eny an-dalana.", "4": "Hesorin\u2019i Jehovah aminy ny fananany, Ary haripany any anaty ranomasina ny tafiny. Dia ho levon\u2019ny afo izy.", "5": "Hahita an\u2019izany i Askelona ka hatahotra, Ary hitebiteby\u00a0be i Gaza. Ho toy izany koa i Ekrona, satria atao afa-baraka ilay nantenainy. Hisy mpanjaka ho faty ao Gaza, Ary tsy hisy mponina intsony ao Askelona.", "6": "Zazasary no hipetraka ao Asdoda, Ary tsy havelako hirehareha intsony ny Filistinina.", "7": "Hesoriko eny am-bavany ny zavatra mbola misy\u00a0ra, Ary hesoriko eo anelanelan\u2019ny nifiny ny zavatra maharikoriko. Izy irery sisa no ho tavela ho an\u2019ilay Andriamanitsika. Ho lasa hoatran\u2019ny lehibem-poko any Joda izy, Ary i Ekrona ho lasa hoatran\u2019ny Jebosita.", "8": "Hijanona eo ivelan\u2019ny tranoko toy ny mpiambina aho, Ka tsy hisy olona hivoaka sy hiditra\u00a0ao. Ary tsy hisy handalo eo intsony ny mpanery olona hiasa, Fa efa hitan\u2019ny masoko mihitsy izany.", "9": "Mifalia, ry Ziona zanakavavy\u00a0\u00f4! Manaova horakora-pandresena, ry\u00a0Jerosalema zanakavavy\u00a0\u00f4! Iny tonga at\u1ef3 aminao iny ny mpanjakanao. Manao ny marina izy sady mamonjy. Manetry tena izy ka mitaingina ampondra. Zanak\u2019ampondra no taingenany, dia zanaky ny ampondravavy.", "10": "Hesoriko ny kalesy fitondra miady ao Efraima, Sy ny soavaly ao Jerosalema. Hesorina koa ny tsip\u00ecka fiadiana. Hiresaka momba ny fihavanana any amin\u2019ireo firenena izy. Hanjaka hatrany amin\u2019ny ranomasina ka hatrany amin\u2019ny ranomasina izy, Ary hatrany amin\u2019ny Renirano ka hatrany amin\u2019ny faran\u2019ny tany.", "11": "Fa noho ny ran\u2019ilay fifanekena nifanaovako taminao, ravehivavy, Dia havoakako avy ao anaty lavaka tsy misy rano ny olonao migadra.", "12": "Miverena any amin\u2019ilay tan\u00e0na voaro mafy, ry gadra be\u00a0fanantenana. Izao no teniko aminao androany: \u2018Hataoko avo roa heny ny anjaranao, ravehivavy.", "13": "Haforitro hoatran\u2019ny tsip\u00eckako i Joda, Ka i Efraima no hataoko hoatran\u2019ny zana-tsip\u00ecka. Hampirisihiko ny zanakao, ry\u00a0Ziona, Mba hiady amin\u2019ny zanakao, ry\u00a0Gresy\u00a0\u00f4! Ary hataoko hoatran\u2019ny sabatry ny miaramila ianao.\u2019", "14": "Ho hita hoe miaraka amin\u2019ny vahoakany i Jehovah, Ary hitsoriaka hoatran\u2019ny tselatra ny zana-tsip\u00eckany. Hitsoka anjombona i Jehovah Tompo Fara Tampony, Ary handroso miaraka amin\u2019ny tafio-drivotra avy any atsimo izy.", "15": "Hiaro azy ireo i Jehovah Tompon\u2019ny tafika. Dia holevonin\u2019izy ireo ny vatom-pilotra ka hataony tsy mahavoa azy. Hisotro izy ireo, ka hihorakoraka hoatran\u2019ny olona avy nisotro divay. Dia hofenoina toy ny vilia baolina, Sy toy ny zoron\u2019ny alitara izy ireo.", "16": "Hamonjy azy ireo i Jehovah Andriamaniny amin\u2019izay andro izay, Satria vahoakany sy andian\u2019ondriny izy ireo. Fa ho toy ny vatosoa eo amin\u2019ny satroboninahitra izy ireo, dia vatosoa mamirapiratra eo amin\u2019ny taniny.", "17": "Tena tsara toetra mantsy izy, Sady tena tsara tarehy. Varimbazaha no hampahatanjaka ny tovolahy, Ary divay vaovao no hampahatanjaka ny virjiny.\u201d" }, "10": { "1": "\u201cMangataha orana amin\u2019i Jehovah rehefa tonga ny fotoanan\u2019ny orana amin\u2019ny lohataona. I Jehovah no mampisy rahona mitondra oram-baratra, Sy mandatsaka orana ho an\u2019ny olona, Ary manome zavamaniry eny an-tsaha ho an\u2019ny tsirairay.", "2": "Fa mamitaka ny sarivongana terafima. Mahita fahitana tsy marina koa ny mpisikidy, Ka miresaka nofy tsy misy dikany, Ary miezaka hampionona nefa very maina fotsiny izany. Hirenireny hoatran\u2019ny ondry \u00e0ry ny olona. Hijaly izy ireo satria tsy misy mpiandry.", "3": "Tezitra be amin\u2019ireo mpiandry aho, Ary hofaiziko ireo mpitarika mampijaly. Fa karakarain\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika ny andian\u2019ondriny, dia ny taranak\u2019i Joda. Ary ataony hoatran\u2019ny soavaliny tsara tarehy fitondrany miady izy ireo.", "4": "Avy amin\u2019i Joda no iavian\u2019ilay lehibe, Avy aminy ilay mpitondra, Avy aminy ilay tsip\u00ecka fiadiana, Avy aminy ny mpiandraikitra, ary avy aminy izy rehetra ireo.", "5": "Ho lasa hoatran\u2019ny miaramila izy ireo, Ka hanitsaka fotaka eny an-dalambe, rehefa any an\u2019ady. Hiady izy ireo satria manampy azy i Jehovah, Ary hatao afa-baraka ny mpitaingin-tsoavaly.", "6": "Dia hataoko mandresy ny taranak\u2019i Joda, Ary hovonjeko ny taranak\u2019i Josefa. Haveriko amin\u2019ny taniny izy ireo, Satria hamindra fo aminy aho. Dia ho toy ny hoe tsy nariako mihitsy izy, Fa izaho no Jehovah Andriamaniny, ka hamaly azy aho rehefa miantso izy.", "7": "Ho lasa hoatran\u2019ny miaramila matanjaka ireo anisan\u2019i Efraima, Ary hifaly ny fony, hoatran\u2019ny fon\u2019ny olona avy nisotro divay. Hahita an\u2019izany ny zanany ka ho faly, Ary hiravoravo amin\u2019i Jehovah ny fony.", "8": "\u2018Hisioka hiantso azy ireo aho ka hanangona azy rehetra. Fa havotako izy ireo, dia ho lasa be dia\u00a0be, Ary ho maro\u00a0be foana.", "9": "Na dia aparitako any amin\u2019ireo firenena aza izy ireo, hoatran\u2019ny voa afafy, Dia mbola hahatsiaro ahy izy ireo, any an-tany lavitra any. Ho velombelona indray izy sy ny zanany ka hiverina.", "10": "Hoentiko miverina avy any Ejipta izy ireo, Ary hangoniko avy any Asyria. Hoentiko ho any Gileada sy Lib\u00e0na izy ireo, Ary na any aza dia tsy hisy toerana ho antonona azy rehetra.", "11": "Dia hamakivaky ny ranomasina izy, ka hampisamboaravoara azy, Ary hokapohiny ny onjan-dranomasina. Ho ritra koa ny rano rehetra ao Neily. Haetry ny reharehan\u2019i Asyria, Ary hiala ny tehim-panjakan\u2019i Ejipta.", "12": "Izaho Jehovah no hahatonga azy handresy, Ary handeha amin\u2019ny anarako izy ireo\u2019, hoy i Jehovah.\u201d" }, "11": { "1": "\u201cVohay ny vavahadinao, ry Lib\u00e0na\u00a0\u00f4, Mba handevonan\u2019ny afo ny hazo sederanao.", "2": "Midradradradr\u00e0, ry\u00a0hazo zenevrie, fa efa nianjera ny sedera, Ary ripaka ny hazo mijoalajoala! Midradradradr\u00e0, ry\u00a0hazo oaka ao Basana, Fa ripaka ny ala mikitroka!", "3": "Izany fa midradradradra ny mpiandry ondry, Satria afa-boninahitra izy ireo. Izany fa mierona ny liona tanora, Satria ripaka ny kirihitrala matevina teny amoron\u2019i Jordana.", "4": "\u201cIzao no tenin\u2019i Jehovah Andriamanitro: \u2018Andraso ny andian\u2019ondry natao hovonoina.", "5": "Mamono azy ny mpividy azy, nefa tsy lazaina hoe meloka. Dia hoy ireo olona mivarotra azy: \u201cHoderaina anie i Jehovah, fa ho mpanankarena aho!\u201d Ary tsy mangoraka azy ny mpiandry azy.\u2019", "6": "\u201c\u2018Fa tsy hangoraka an\u2019ireo mponina eto amin\u2019ity tany ity intsony aho\u2019, hoy i Jehovah. Koa hataoko resin\u2019ny namany sy ny mpanjakany ny olona tsirairay. Dia horavan\u2019izy ireo ity tany ity, nefa izaho tsy hamonjy azy eny an-tanany.\u2019\u201d", "7": "Dia niandry ny andian\u2019ondry natao hovonoina aho, mba hahasoa anareo, ry\u00a0andian\u2019ondry nampahorina. Naka tehina roa \u00e0ry aho, ka ny iray nantsoiko hoe Imahafinaritra, ary ny iray hoe Firaisan-kina. Dia nandrasako ny andian\u2019ondry.", "8": "Tao anatin\u2019ny iray volana, dia noroahiko ny mpiandry telo satria tsy zakako intsony ny nataony, ary ry\u00a0zareo koa efa tsy tia ahy.", "9": "Dia hoy aho: \u201cTsy ho mpiandry anareo intsony aho. Izay efa ho faty, dia aleo ho faty any. Izay haringana, dia aleo ho ringana any. Ary izay sisa tavela, dia aleo samy hihinana ny nofon\u2019ny namany avy.\u201d", "10": "Nalaiko \u00e0ry ilay tehiko atao hoe Imahafinaritra ka notapahiko. Nofoanako mantsy ilay fifanekena nataoko tamin\u2019ny olona rehetra.", "11": "Dia nofoanana ilay izy, tamin\u2019iny andro iny. Nijery ahy ilay andian\u2019ondry nampahorina, dia fantany fa izany no tenin\u2019i Jehovah.", "12": "Ary hoy aho tamin\u2019ny olona: \u201cRaha mety aminareo, dia omeo ahy ny karamako. Fa raha tsy mety, dia aza omena.\u201d Dia naloany ny karamako, ary volafotsy 30 sekely izany.", "13": "Hoy i Jehovah tamiko: \u201cAtsipazo ao amin\u2019ny fitehirizan-karena izany vola be nanombanany ahy izany.\u201d Dia nalaiko ireo volafotsy 30 sekely, ka natsipiko tao amin\u2019ny fitehirizan-karena tao an-tranon\u2019i Jehovah.", "14": "Notapahiko koa ilay tehiko faharoa, dia ilay atao hoe Firaisan-kina. Lasa tsy mpirahalahy intsony mantsy ny Joda sy Israely.", "15": "Ary hoy i Jehovah tamiko: \u201cAlaivo ny fitaovana fampiasan\u2019ny mpiandry tsy misy ilana azy.", "16": "Fa havelako hisy mpiandry ondry eto amin\u2019ity tany ity. Tsy hikarakara an\u2019ireo ondry efa ho faty izy, ary tsy hitady ny zanak\u2019ondry, na hanasitrana an\u2019izay maratra. Tsy homeny sakafo koa izay mbola mahatsangana. Hohaniny kosa ny nofon\u2019izay matavy, ary hendahany ny kitron\u2019ny ondry.", "17": "Hahita loza ny mpiandry tsy misy ilana azy, izay mandao ny ondry! Fa hisy sabatra hamely ny sandriny sy ny masony havanana. Dia halemy tanteraka ny sandriny, Ary ho jamba tanteraka ny masony havanana.\u201d" }, "12": { "1": "Fanambarana: \u201cNy tenin\u2019i Jehovah momba ny Israely.\u201d Izao no tenin\u2019i Jehovah, Ilay namelatra ny lanitra, Sy nametraka ny fototry ny tany, Ary namorona ny ain\u2019ny olona, ka nametraka an\u2019izany ao anatiny:", "2": "\u201cI Jerosalema dia hataoko hoatran\u2019ny kaopy misy divay mampivembena an\u2019ireo firenena rehetra manodidina azy. Hatao fahirano koa i Joda sy Jerosalema.", "3": "Hataoko toy ny vato mavesatra amin\u2019ny firenena rehetra i Jerosalema, amin\u2019izany andro izany. Tsy maintsy haratra mafy daholo izay manainga azy. Dia hiangona hamely an\u2019i Jerosalema ny firenena rehetra eny ambonin\u2019ny tany.", "4": "Amin\u2019izany andro izany\u201d, hoy i Jehovah, \u201cdia hataoko lasa matahotra\u00a0be ny soavaly rehetra, ary hataoko lasa adala ny mpitaingina azy. Hitsinjo ny taranak\u2019i Joda foana ny masoko, fa ny soavaly rehetran\u2019ireo firenena kosa hataoko jamba.", "5": "Ary hiteny anakampo ireo lehibem-pokon\u2019i Joda hoe: \u2018Ny mponin\u2019i Jerosalema no herinay avy amin\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, ilay Andriamanitr\u2019izy ireo.\u2019", "6": "Amin\u2019izany andro izany, dia hataoko hoatran\u2019ny vilany feno vainafo any an\u2019ala ny lehibem-pokon\u2019i Joda, sady hataoko hoatran\u2019ny fanilo mirehitra eny amin\u2019ny varimbazaha milahadahatra vao avy nojinjaina. Dia hodorany ny firenena rehetra manodidina, na ny eny ankavanany na ny eny ankaviany. Ary ny mponin\u2019i Jerosalema dia mbola hipetraka any amin\u2019ny toerana nisy azy ihany, izany hoe ao Jerosalema.", "7": "\u201cAry ny tranolain\u2019i Joda no hovonjen\u2019i Jehovah voalohany, sao ny taranak\u2019i Davida sy ny mponin\u2019i Jerosalema indray no ho lasa tsara tarehy\u00a0be noho i Joda.", "8": "Ho fiarovana manodidina ny mponin\u2019i Jerosalema i Jehovah, amin\u2019izany andro izany. Ary izay tafintohina dia ho lasa hoatran\u2019i Davida, amin\u2019izany andro izany. Ny taranak\u2019i Davida kosa hitovy amin\u2019Andriamanitra, hitovy amin\u2019ilay anjelin\u2019i Jehovah izay mandeha eo alohany.", "9": "Ary tsy maintsy haringako izay firenena rehetra tonga hamely an\u2019i Jerosalema, amin\u2019izany andro izany.", "10": "\u201cHandatsahako ny fanahiko ny taranak\u2019i Davida sy ny mponin\u2019i Jerosalema, ka hankasitrahako sy hitalaho amiko. Hijery an\u2019ilay olona nolefoniny izy ireo ka hidradradradra hoatran\u2019ny olona namoy zanaka lahitokana, sady halahelo\u00a0be hoatran\u2019ny olona namoy zanaka lahimatoa.", "11": "Hidradradradra mafy ny mponina ao Jerosalema amin\u2019izany andro izany, hoatran\u2019ny nataon\u2019ny olona tao Hadadrimona, teo amin\u2019ny Lemak\u2019i Megido.", "12": "Dia hitomany isam-pianakaviana ny ao amin\u2019ilay tany, ka samy hitomany mitokana na ny fianakaviamben\u2019ny taranak\u2019i Davida na ny vehivavy ao aminy, na ny fianakaviamben\u2019ny taranak\u2019i Natana na ny vehivavy ao aminy,", "13": "na ny fianakaviamben\u2019ny taranak\u2019i Levy na ny vehivavy ao aminy, na ny fianakaviamben\u2019ny Simeita na ny vehivavy ao aminy,", "14": "na ny fianakaviana tsirairay amin\u2019ny fianakaviambe sisa rehetra na ny vehivavy ao aminy." }, "13": { "1": "\u201cHisy lavadrano holavahana ho an\u2019ny taranak\u2019i Davida sy ny mponin\u2019i Jerosalema, amin\u2019izany andro izany. Hanadiovana azy ireo ho afaka amin\u2019ny fahotana sy ny fahalotoana izany.", "2": "\u201cAmin\u2019izany andro izany\u201d, hoy i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, \u201cdia hofafako tsy hisy intsony eto amin\u2019ity tany ity ny anaran\u2019ireo sampy, ka tsy hotsarovana intsony. Hesoriko eto amin\u2019ity tany ity koa ny mpaminany sy ny fanahin\u2019ny fahalotoana.", "3": "Raha misy lehilahy mbola maminany, dia hilaza aminy ny rainy sy ny reniny niteraka azy hoe: \u2018Ho faty ianao, satria miteny lainga amin\u2019ny anaran\u2019i Jehovah.\u2019 Dia hanindrona azy amin\u2019ny sabatra ny rainy sy ny reniny niteraka azy, satria izy naminany.", "4": "\u201cSamy ho menatra noho ny fahitana hitany ny mpaminany amin\u2019izany andro izany, rehefa maminany. Dia tsy hanao akanjo volom-biby izy ireo mba hamitahana olona.", "5": "Ary hilaza izy hoe: \u2018Tsy mpaminany aho fa mpiasa tany, satria izaho novidin\u2019olona tamin\u2019izaho mbola kely.\u2019", "6": "Dia raha misy manontany izy hoe: \u2018Inona ireny ratra eny amin\u2019ny vatanao ireny?\u2019 Dia hoy izy: \u2018Ratra azoko tamin\u2019izaho tao an-tranon\u2019ny namako ireny.\u2019\u201d", "7": "\u201cRy sabatra\u00a0\u00f4, mifohaza mba hamely ny mpiandry ondriko, Dia ilay lehilahy namako\u201d, hoy i Jehovah Tompon\u2019ny tafika. \u201cAsio ny mpiandry, dia hiparitaka ny andian\u2019ondry. Ary hamely an\u2019ireo olona tsinontsinona ireo ny tanako.\u201d", "8": "\u201cManerana an\u2019ilay tany\u201d, hoy i Jehovah, \u201cDia ho ripaka sy ho faty ny roa ampahatelon\u2019ny mponina, Ary ny ampahatelony sisa no ho tavela\u00a0ao.", "9": "Ary hataoko ao anaty afo ilay ampahatelony. Dia hodioviko hoatran\u2019ny manadio volafotsy izy ireo, Ary hosedraiko hoatran\u2019ny misedra volamena. Hiantso ny anarako izy, Dia hamaly azy aho. Hiteny aho hoe: \u2018Vahoakako izy!\u2019, Fa izy kosa hiteny hoe: \u2018I\u00a0Jehovah no Andriamanitray!\u2019\u201d" }, "14": { "1": "\u201cHo avy ny andro, dia ny andron\u2019i Jehovah, ka amin\u2019izay no hozarazaraina eo imasonao ny fanananao nalaina ho babo.", "2": "Hangoniko hiady amin\u2019i Jerosalema ny firenena rehetra. Dia ho babo ilay tan\u00e0na, horobaina ny trano, ary hovetavetaina ny vehivavy. Hatao sesitany ny antsasaky ny mponina ao, fa ny olona sisa kosa havela ao ihany.", "3": "\u201cHivoaka hiady amin\u2019ireo firenena ireo i Jehovah, hoatran\u2019ny tamin\u2019izy niady tamin\u2019ny fahavalony.", "4": "Amin\u2019izany andro izany, dia hijoro eo amin\u2019ny Tendrombohitra Oliva, izay eo atsinanana tandrifin\u2019i Jerosalema, ny tongony. Dia hizara roa, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana ny Tendrombohitra Oliva, ka ny antsasany hifindra hianavaratra, ary ny antsasany hianatsimo. Dia hisy lohasaha tena lehibe eo anelanelany.", "5": "Handositra ho any amin\u2019ilay lohasaha eo anelanelan\u2019ireo tendrombohitro ianareo, satria hitatra hatrany amin\u2019ny lalana mankany Azela ilay lohasaha. Handositra ianareo, hoatran\u2019ny nandosiranareo tamin\u2019ilay horohoron-tany tamin\u2019ny andron\u2019i Ozia mpanjakan\u2019ny Joda. Dia ho avy i Jehovah Andriamanitro, ary hanaraka azy koa ny anjely masina rehetra.", "6": "\u201cTsy hisy hazavana mamirapiratra amin\u2019izany andro izany, ary hivaingana ny zava-drehetra.", "7": "Ho lasa andro manokana io andro io, ka ho fantatra hoe andron\u2019i Jehovah. Sady tsy ho andro izy io no tsy ho alina, fa mbola hazava ihany na amin\u2019ny takariva aza.", "8": "Ary hisy rano velona hikoriana avy ao Jerosalema, amin\u2019izany andro izany. Hivarina any amin\u2019ny ranomasina atsinanana ny antsasany, ary ho any amin\u2019ny ranomasina andrefana ny antsasany. Dia ho toy izany rehefa fahavaratra sy ririnina.", "9": "Ary ho Mpanjakan\u2019ny tany manontolo i Jehovah. Ho iray ihany i Jehovah ary ho iray ihany ny anarany, amin\u2019izany andro izany.", "10": "\u201cLasa hitovy amin\u2019i Araba ilay tany manontolo, manomboka any Geba ka hatrany Rimona any atsimon\u2019i Jerosalema. Hisondrotra i Jerosalema ka hisy mponina eo amin\u2019ilay misy azy, manomboka any amin\u2019ny Vavahadin\u2019i Benjamina ka hatrany amin\u2019ny Vavahady Voalohany sy hatrany amin\u2019ny Vavahady An-jorony, ary manomboka eo amin\u2019ny Tilikambon\u2019i Hananela ka hatrany amin\u2019ny famiazam-boaloboky ny mpanjaka.", "11": "Hisy mponina ao Jerosalema, ary tsy ho voaheloka haringana intsony izy. Dia hiadana sy hilamina ny mponina ao.", "12": "\u201cAry izao no loza hamelezan\u2019i Jehovah ny olona rehetra miady amin\u2019i Jerosalema: Mbola eny am-pitsanganana eny izy dia ho lo ny nofony. Ho lo ao anaty taolamasony ny masony, ary ho lo ao am-bavany ny lelany.", "13": "\u201cHataon\u2019i Jehovah misahotaka izy rehetra amin\u2019izany andro izany, ka samy hitazona ny tanan\u2019ny namany avy ary samy hifamely.", "14": "Hiady any Jerosalema koa ny Joda. Hangonina ny harenan\u2019ny firenena rehetra manodidina, dia volamena sy volafotsy ary akanjo be dia\u00a0be.", "15": "\u201cHo tratran\u2019ny loza hoatr\u2019izany koa ny soavaly, ny ramole, ny rameva, ny ampondra, ary ny biby fiompy rehetra ao amin\u2019ireo toby ireo.", "16": "\u201cNy sisa tavela amin\u2019ny firenena rehetra izay tonga hiady amin\u2019i Jerosalema, dia hiakatra isan-taona any Jerosalema. Hiakatra any izy ireo mba hiankohoka eo anatrehan\u2019ny Mpanjaka, dia i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, ary mba hankalaza ny Fetin\u2019ny Trano Rantsankazo.", "17": "Raha misy olona any amin\u2019ireo firenena ambonin\u2019ny tany anefa tsy miakatra any Jerosalema mba hiankohoka eo anatrehan\u2019ilay Mpanjaka, izany hoe i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, dia tsy hisy orana hirotsaka any aminy.", "18": "Raha tsy miakatra any koa ny Ejipsianina, dia tsy hisy orana hirotsaka any aminy. Hamely azy kosa ny loza alefan\u2019i Jehovah amin\u2019ireo firenena tsy miakatra hankalaza ny Fetin\u2019ny Trano Rantsankazo.", "19": "Izany no ho sazin\u2019i Ejipta sy ireo firenena rehetra tsy miakatra hankalaza ny Fetin\u2019ny Trano Rantsankazo.", "20": "\u201cAmin\u2019izany andro izany, dia izao no hosoratana eo amin\u2019 ny lakolosy kelin\u2019ny soavaly: \u2018An\u2019i Jehovah ny fahamasinana!\u2019 Ary ho masina hoatran\u2019ireo vilia baolina eo anoloan\u2019ny alitara ny vilany ao an-tranon\u2019i Jehovah.", "21": "Ho masina ny vilany rehetra any Jerosalema sy Joda sady ho lasa fananan\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika. Ary hiditra izay rehetra manao sorona ka hahandro hena amin\u2019ireny. Amin\u2019izany andro izany, dia tsy hisy Kananita intsony ao an-tranon\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika.\u201d" }, "meta": { "name": "Zakaria", "order": 37, "chapter_number": 14 } }