mg-bibles
Version:
A package for accessing Bible verses in Malagasy (MG), Diem, King James (KJV), and Louis Segond (APEE) versions
141 lines (140 loc) • 21.3 kB
JSON
{
"1": {
"1": "Ny tononkira tsara indrindra nataon\u2019i Solomona:",
"2": "\u201cEnga anie izy hanoroka ahy amin\u2019ny molony, Fa tsara noho ny divay ny fomba anehoanao fitiavana!",
"3": "Manitra er\u1ef3 ny menakao! Sahala amin\u2019ny menaka manitra araraka ny anaranao, Dia izany no itiavan\u2019ny ankizivavy anao.",
"4": "Ento manaraka anao aho, dia andao isika hitsoaka, Fa nentin\u2019ny mpanjaka tao amin\u2019ny efitranony anatiny aho! Andao isika hiaraka hifalifaly sy hiravoravo. Andao horesahintsika ny fomba anehoanao fitiavana, fa tsara noho ny divay ireny. Tsy mahagaga raha tian\u2019ny ankizivavy ianao.",
"5": "Mainty aho nefa mahafatifaty, ry zanakavavin\u2019i Jerosalema\u00a0\u00f4, Hoatran\u2019ny tranolain\u2019i Kedara, hoatran\u2019ny lamba nanaovana ny tranolain\u2019i Solomona.",
"6": "Aza jerijerena aho satria hoe mivalomainty, Fa main\u2019ny masoandro aho. Tezitra tamiko ny zanakalahin\u2019i Neny, Ka nasainy niambina tanimboaloboka aho, Nefa ny tanimboaloboko aza tsy mba nambenako.",
"7": "Mba lazao ahy, ry\u00a0ilay tena tiako, Hoe aiza ny toerana iandrasanao ondry, Sy ny toerana ampatorinao ny andian\u2019ondry, amin\u2019ny mitataovovonana. Fa maninona aho no handehandeha eny amin\u2019ny andian\u2019ondrin\u2019ny namanao eny, Hoatran\u2019ny vehivavy manarona ny tarehiny amin\u2019ny voaly?\u201d",
"8": "\u201cRaha tsy fantatrao, ry ilay tsara tarehy indrindra amin\u2019ny vehivavy\u00a0\u00f4, Dia mandehana manaraka ny dian\u2019ondry, Ka andraso eo akaikin\u2019ny tranolain\u2019ny mpiandry ondry ny zanak\u2019osinao.\u201d",
"9": "\u201cMitovy amin\u2019ny soavalivavy mitarika ny kalesin\u2019i Farao ianao, ry\u00a0malalako.",
"10": "Mahafatifaty er\u1ef3 ny takolakao misy firavaka, Ary tsara tarehy er\u1ef3 izato vozonao misy vakana!",
"11": "Hanamboaranay firavaka volamena ianao, Firavaka nasiana haingony volafotsy.\u201d",
"12": "\u201cRaha iny mbola mipetraka eo amin\u2019ny latabany boribory iny ny mpanjaka, Dia mamerovero er\u1ef3 ny ranomanitro!",
"13": "Amiko ilay mamin\u2019ny foko dia toy ny miora manitra eran\u2019ny kitapo kely Eo anelanelan\u2019ny nonoko mandritra ny alina.",
"14": "Amiko ilay mamin\u2019ny foko dia sahala amin\u2019ny vonin\u2019ny moina Eo amin\u2019ny tanimboalobok\u2019i En-jedy.\u201d",
"15": "\u201cTena tsara tarehy ianao, ry\u00a0malalako. Tena tsara tarehy ianao. Toy ny masom-boromailala ny masonao.\u201d",
"16": "\u201cTena tsara tarehy ianao, ry\u00a0ilay mamin\u2019ny foko, sady mahafinaritra. Ravinkazo no fandrianantsika.",
"17": "Hazo sedera no nanaovana ny tranontsika, Ary hazo zenevrie no nanaovana ny tafontranontsika."
},
"2": {
"1": "\u201cVoninkazodia eny amin\u2019ny lemaka amoron-tsiraka ihany aho, Ary lisy eny an-dohasaha.\u201d",
"2": "\u201cToy ny lisy eny amin\u2019ny tsilo ny malalako. Hafa raha samy ankizivavy izy.\u201d",
"3": "\u201cHoatran\u2019ny paoma maniry any anaty ala ny malalako. Hafa raha samy ankizilahy izy. Mba tiako er\u1ef3 ny hipetraka hialokaloka eo ambaniny, Ary mamy ao am-bavako ny voany!",
"4": "Nentiny tao amin\u2019ny trano misy fanasambe aho, Ary toy ny saina kely mikopakopaka eo amboniko ny fitiavany.",
"5": "Omeo mofo vita amin\u2019ny voaloboka maina aho mba ho velombelona, Ary omeo paoma mba hatanjaka, Fa azon\u2019ny tazom-pitia aho.",
"6": "Iondanako ny tanany ankavia, Ary mamihina ahy ny tanany ankavanana.",
"7": "Ry zanakavavin\u2019i Jerosalema\u00a0\u00f4! Asaiko mianiana amin\u2019ny gazela sy amin\u2019ny serfavavy any an-tsaha ianareo Mba tsy hitady hanaitra na hampitsiry fitiavana ato amiko, fa avelao ilay izy hitsiry ho azy.",
"8": "Izany ny feon\u2019ny malalako! Iny tamy iny izy, Mianika tendrombohitra sady mitsambikimbikina eny an-kavoana.",
"9": "Hoatran\u2019ny gazela ny malalako, hoatran\u2019ny zanaka serfa. Io mijoro ao ambadiky ny rindrinay io izy! Mijery eo am-baravarankely izy, Sady mitsirika eo amin\u2019ny makarakara.",
"10": "Dia hoy ilay mamin\u2019ny foko: \u2018Mitsang\u00e0na, ry malalako, Andao hiaraka amiko, ry ilay tsara tarehiko.",
"11": "Jereo fa efa lasa ny ririnina, Ary efa nijanona sady efa lasa ny orana.",
"12": "Efa mamelana ny voninkazo eto amin\u2019ny tanintsika, Efa tonga ny fotoana fandrantsanana voaloboka, Ary heno eto amin\u2019ny tanintsika ny hiran\u2019ny domohina.",
"13": "Masaka koa ny aviavy vokatra voalohany. Mamelana ny voaloboka, sady manitra mamerovero. Mitsang\u00e0na, ry malalako, dia avia! Andao hiaraka amiko, ry\u00a0ilay tsara tarehiko.",
"14": "Ry voromailalako miafina eny an-tsefatsefaky ny harambato, Eny anelanelan\u2019ny vatolampy amoron-tevana, Avelao aho mba hijery anao dia haheno ny feonao, Fa mahafinaritra er\u1ef3 ny feonao ary mahafatifaty ny bikanao!\u2019\u201d",
"15": "\u201cSambory ny amboadia, Dia ireo amboadia kely mpanimba tanimboaloboka, Fa efa mamony ny voalobokay.\u201d",
"16": "\u201cAhy ny malalako, ary azy aho. Miandry ondry eny amin\u2019ny toerana feno lisy izy.",
"17": "Dieny mbola tsy mandrivodrivotra ny andro, ary mbola tsy lasa ny aloka, Dia miverena haingana, ry ilay mamin\u2019ny foko, Hoatran\u2019ny gazela na ny zanaka serfa eny amin\u2019ny tendrombohitry ny fisarahana."
},
"3": {
"1": "\u201cNitady an\u2019ilay olon-tiako aho isak\u2019alina, Tamin\u2019izaho tao am-pandriana. Nitady azy aho fa tsy nahita.",
"2": "Handeha hiarina aho, dia handehandeha eran\u2019ny tan\u00e0na. Aleo hotadiaviko eny an-dalambe Sy eny amin\u2019ny tany malalaka ilay olon-tiako. Nitady azy aho fa tsy nahita.",
"3": "Hitan\u2019ny mpiambina aho, tamin\u2019izy ireo nandehandeha nanao fisafoana tao an-tan\u00e0na. Dia hoy aho tamin\u2019izy ireo: \u2018Sao dia mba hitanareo ilay olon-tiako?\u2019",
"4": "Vao niala kely teo amin\u2019izy ireo anefa aho, Dia hitako ilay olon-tiako. Notazoniko izy ka tsy navelako nandeha Raha tsy tongako tany an-tranon\u2019i Neny, Dia tao amin\u2019ny efitranon\u2019ilay niteraka ahy.",
"5": "Ry zanakavavin\u2019i Jerosalema\u00a0\u00f4! Asaiko mianiana amin\u2019ny gazela sy amin\u2019ny serfavavy any an-tsaha ianareo Mba tsy hitady hanaitra na hampitsiry fitiavana ato amiko, fa avelao ilay izy hitsiry ho azy.\u201d",
"6": "\u201cInona iny hoatran\u2019ny setroka\u00a0be miakatra avy any an-tany efitra iny? Manitra\u00a0be ilay izy, manitra miora sy ditin-kazo manitra Ary vovoka zava-manitra isan-karazany amidin\u2019ny mpivarotra.\u201d",
"7": "\u201cIny ny filanjana an\u2019i Solomona, Voahodidina lehilahy matanjaka 60 Avy amin\u2019ny lehilahy israelita matanjaka.",
"8": "Manana sabatra izy rehetra, Sady efa voaofana hiady. Samy mitondra ny sabany eo amin\u2019ny andilany izy ireo, Satria misy zavatra mampahatahotra amin\u2019ny alina.\u201d",
"9": "\u201cIny ilay filanjana an\u2019i Solomona Mpanjaka! Hazon\u2019i Lib\u00e0na no nanaovany azy.",
"10": "Nataony volafotsy ny andrin\u2019ilay izy, Ary volamena ny fiankinana. Natao tamin\u2019ny volonondry volomparasy ny fipetrahana, Ary ny ao anatiny kosa Nasian\u2019ny zanakavavin\u2019i Jerosalema haingonkaingony tamim-pitiavana.\u201d",
"11": "\u201cMivoaha, ry zanakavavin\u2019i Ziona\u00a0\u00f4! Jereo i Solomona Mpanjaka Fa manao an\u2019ilay satroboninahitra namboarin\u2019ny reniny ho azy, Tamin\u2019ny fampakaram-badiny, Tamin\u2019ny andro nifalian\u2019ny fony.\u201d"
},
"4": {
"1": "\u201cTena tsara tarehy ianao, ry malalako. Tena tsara tarehy ianao. Toy ny masom-boromailala ny masonao ao anatin\u2019ny voalinao. Ny volonao kosa hoatran\u2019ny andian\u2019osy Miara-midina ny tendrombohitr\u2019i Gileada.",
"2": "Ny nifinao dia toy ny andian\u2019ondry vao nohetezana, Izay miakatra avy ao anaty rano nanasana azy. Miteraka kambana izy rehetra, Ary tsy misy tsy mahavanona anaka.",
"3": "Hoatran\u2019ny kofehy mena midorehitra ny molotrao, Ary mahafinaritra ny teninao. Hoatran\u2019ny silaka ampongabendanitra Ny takolakao ao anaty voaly.",
"4": "Ny vozonao dia sahala amin\u2019ny tilikambon\u2019i Davida, Izay vita rarivato Sady ihantonan\u2019ny ampinga arivo, Dia ny ampinga boribory rehetra fampiasan\u2019ny lehilahy matanjaka.",
"5": "Ny nononao roa dia toy ny zana-gazela roa, Toy ny zana-gazela kambana Miraoka ahitra eny amin\u2019ny lisy.\u201d",
"6": "\u201cDieny mbola tsy mandrivodrivotra ny andro ary mbola tsy lasa ny aloka, Dia ho any amin\u2019ny tendrombohitra misy miora aho, Ary ho any amin\u2019ny havoana misy ditin-kazo manitra.\u201d",
"7": "\u201cTsara tarehy\u00a0be mihitsy ianao, ry\u00a0malalako, Sady tsy misy tsininy.",
"8": "Andao isika hiala at\u1ef3 Lib\u00e0na, ry\u00a0ilay ampakariko, Andao hiala at\u1ef3 Lib\u00e0na! Mid\u00ecna avy eny an-tampon\u2019i Amana, Avy eny an-tampon\u2019i Senira, eny an-tampon\u2019i Hermona, Avy eny amin\u2019ny tendrombohitra ipetrahan\u2019ny liona sy ny leopara.",
"9": "Babonao ny foko, rahavako, ry ilay ampakariko. Babonao ny foko raha vao nitopy indray mandeha tet\u1ef3 amiko ny masonao, Raha vao hitako ny mason-drojo iray amin\u2019ilay rojo iambozonanao.",
"10": "Mamy er\u1ef3 ny fomba anehoanao fitiavana, rahavako, ry ilay ampakariko! Tsara lavitra noho ny divay ny fitiavanao, Ary mamerovero noho ny zava-manitra ny ranomanitrao!",
"11": "Mamy noho ny tantely avy ao amin\u2019ny toho-tantely ny molotrao, ry\u00a0ilay ampakariko. Tantely sy ronono no ao ambany lelanao, Ary toy ny hanitr\u2019i Lib\u00e0na ny hanitry ny akanjonao.",
"12": "Toy ny zaridaina mihidy ianao, rahavako, ry\u00a0ilay ampakariko, Dia zaridaina mihidy sy loharano misarona.",
"13": "Hoatran\u2019ny paradisa kely feno ampongabendanitra ny tsimoka avy aminao, Sady misy voankazo faran\u2019izay tsara, moina sy narda maniry,",
"14": "Narda sy safrona, fant\u00e0kamanitra sy kanelina, Ny karazan-kazo rehetra misy ditiny manitra, miora, aloesy, Ary ny zava-manitra rehetra faran\u2019izay tsara.",
"15": "Loharano ao an-jaridaina ianao, lavadrano misy rano madio, Ary rano mikoriana avy any Lib\u00e0na.",
"16": "Mifohaza, ry rivotra avy any avaratra\u00a0\u00f4! Midira, ry rivotra avy any atsimo\u00a0\u00f4! Aoka ianareo hitsoka moramora ao an-jaridainako. Enga anie hiparitaka ny fofony manitra!\u201d \u201cEnga anie ilay mamin\u2019ny foko hiditra ao an-jaridainany, Ka hihinana ny voankazo faran\u2019izay tsara ao.\u201d"
},
"5": {
"1": "\u201cEfa niditra ato an-jaridainako aho, rahavako, Ry ilay ampakariko. Efa nioty miora sy zava-manitra aho. Efa nihinana ny tantely avy amin\u2019ny toho-tanteliko aho, Ary efa nisotro ny divaiko sy ny rononoko.\u201d \u201cMihin\u00e0na, ry izy roa kely! Misotroa, ary aoka ianareo ho mamon\u2019ny fitiavana!\u201d",
"2": "\u201cMatory aho nefa mahatsiaro ihany ny foko. Izany mandond\u00f2na izany ilay mamin\u2019ny foko! \u2018Vohay aho, rahavako, ry malalako, Ry voromailalako, ry ilay tsy misy tsiniko, Fa lenan\u2019ny ando ny lohako, Ary kotsan\u2019ny andon\u2019ny alina ny voloko.\u2019",
"3": "Efa nesoriko ny akanjoko ivelany, Dia hanaovako indray\u00a0ve? Efa nosasako ny tongotro, Dia holotoiko indray\u00a0ve?",
"4": "Nesorin\u2019ilay mamin\u2019ny foko teo amin\u2019ny lavaky ny hidim-baravarana ny tanany, Dia nidobodoboka\u00a0be ny foko.",
"5": "Nitsangana \u00e0ry aho hamoha varavarana an\u2019ilay mamin\u2019ny foko. Nitete miora ny tanako, Ary nitete ranona miora ny rantsantanako, Teo amin\u2019ny tahon\u2019ny hidim-baravarana.",
"6": "Namoha varavarana an\u2019ilay mamin\u2019ny foko aho, Saingy efa tsy teo intsony izy fa efa lasa. Kivy\u00a0be aho rehefa lasa izy. Nitady azy aho fa tsy nahita. Niantso azy aho, fa tsy namaly izy.",
"7": "Hitan\u2019ny mpiambina aho, tamin\u2019izy ireo nandehandeha nanao fisafoana tao an-tan\u00e0na. Dia nokapohiny aho ka naratra. Nanendaka ny saly nanaovako ny mpitily teny ambony manda.",
"8": "Ry zanakavavin\u2019i Jerosalema\u00a0\u00f4! Asaiko mianiana ianareo: Raha hitanareo ilay mamin\u2019ny foko, Dia ilazao izy fa azon\u2019ny tazom-pitia aho.\u201d",
"9": "\u201cFa inona loatra no mampiavaka an\u2019ilay mamin\u2019ny fonao amin\u2019ny lehilahy hafa rehetra, Ry ilay vehivavy tsara tarehy indrindra\u00a0\u00f4? Fa inona loatra no mampiavaka an\u2019ilay mamin\u2019ny fonao amin\u2019ny lehilahy hafa rehetra, No asainao mianiana hoatr\u2019izany izahay?\u201d",
"10": "\u201cTsara tarehy\u00a0be ilay mamin\u2019ny foko, sady somary mena. Miavaka amin\u2019ny olona iray alina izy.",
"11": "Hoatran\u2019ny volamena ny lohany, dia volamena faran\u2019izay tsara, Ary ny volony hoatran\u2019ny ravina palmie mikopakopaka, Sady mainty toy ny volon\u2019ny goaika.",
"12": "Ny masony dia tahaka ny voromailala eo amoron-drano, Dia voromailala mandro ao anaty ronono, Sady mipetraka eo amoron\u2019ny dobo feno rano.",
"13": "Ny takolany indray toy ny zaridaina feno zava-manitra, Sy toy ny dongon-tany novolena zava-manitra. Ny molony kosa sahala amin\u2019ny lisy mitete ranona miora.",
"14": "Volamena ny rantsantanany ary noravahana krizolita. Ny kibony dia toy ny ivoara nokosehina hangirana sady voarakotra safira.",
"15": "Ny ranjony indray toy ny andry marbra mitsatoka eo amin\u2019ny faladia volamena faran\u2019izay tsara. Tsara tarehy hoatran\u2019i Lib\u00e0na izy, sady tsy manan-tsahala toy ny hazo sedera.",
"16": "Mamy dia mamy ny vavany, Ary mahafinaritra daholo izay rehetra mombamomba azy. Hoatr\u2019izany ilay mamin\u2019ny foko. Izany ilay malalako, ry\u00a0zanakavavin\u2019i Jerosalema\u00a0\u00f4!\u201d"
},
"6": {
"1": "\u201cLasa aiza ilay malalanao, Ry vehivavy tsara tarehy indrindra\u00a0\u00f4? Nivily aiza ilay malalanao? Andao isika hitady azy.\u201d",
"2": "\u201cLasa nidina any an-jaridainany ny malalako, Any amin\u2019ny zaridaina feno zava-manitra. Fa hiandry ondry any izy, Sady hioty lisy.",
"3": "An\u2019ny malalako aho, Ary ahy ny malalako. Miandry ondry eny amin\u2019ny toerana feno lisy izy.\u201d",
"4": "\u201cTsara tarehy hoatran\u2019i Tirza ianao, ry\u00a0malalako, Kanto hoatran\u2019i Jerosalema, Ary mahavariana toy ny tafika milahatra manodidina ny sainany.",
"5": "Avilio tsy hijery ahy ny masonao, Fa babon\u2019ny masonao tanteraka aho. Ny volonao dia hoatran\u2019ny andian\u2019osy Miara-midina avy eny Gileada.",
"6": "Ny nifinao dia toy ny andian\u2019ondry Izay miakatra avy ao anaty rano nanasana azy. Miteraka kambana izy rehetra, Ary tsy misy tsy mahavanona anaka.",
"7": "Hoatran\u2019ny silaka ampongabendanitra Ny takolakao ao anaty voaly.",
"8": "Na eo aza ireo vehivavy 60 vadin\u2019ny mpanjaka, Sy ny vadikeliny 80, Ary ny ankizivaviny tsy hita isa,",
"9": "Dia iray ihany no voromailalako, ilay tsy misy tsininy. Vavitokan\u2019ny reniny izy, Ary izy no zanaka tena tian\u2019ilay niteraka azy. Nahita azy ny ankizivavy, ka nilaza hoe sambatra izy. Nidera azy koa ny vadin\u2019ny mpanjaka sy ny vadikeliny hoe:",
"10": "\u2018Iza io vehivavy mamirapiratra hoatran\u2019ny hazavana vao maraina\u00a0io? Tsara tarehy toy ny volana fenomanana izy, Sady madio tahaka ny tara-masoandro, Ary mahavariana toy ny tafika milahatra manodidina ny sainany.\u2019\u201d",
"11": "\u201cNidina nankany amin\u2019ny saha feno voanjoala aho, Mba hijery ny zavamaniry vao mitsiry eny an-dohasaha, Sy hijery raha efa mitsimoka ny voaloboka, Ary efa mamony ny ampongabendanitra.",
"12": "Tena te hahita an\u2019izany aho, Ka tsy nampoiziko akory Dia tonga teny amin\u2019ny kalesin\u2019ny olona ambony aho.\u201d",
"13": "\u201cMiverena! Miverena, ry Solemita\u00a0\u00f4! Miverena re\u00a0e! Miverena, Mba hijerenay anao indray!\u201d \u201cFa maninona ianareo no mandinika an\u2019ilay Solemita?\u201d \u201cHoatran\u2019ny dihin\u2019ny toby roa izy!\u201d"
},
"7": {
"1": "\u201cTsara er\u1ef3 ny tongotrao ao anatin\u2019ilay kapanao, Ry tovovavy mendri-kaja! Toy ny firavaka notefen\u2019ny mpanao asa tanana Ny bikan\u2019ny fenao.",
"2": "Boribory hoatran\u2019ny vilia baolina ny foitranao. Enga anie hisy divay misy fangarony foana\u00a0eo! Ary ny kibonao dia toy ny antontam-barimbazaha Voahodidin\u2019ny lisy.",
"3": "Ny nononao roa dia toy ny zana-gazela roa, Dia zana-gazela kambana.",
"4": "Ny vozonao indray hoatran\u2019ny tilikambo ivoara, Ary ny masonao toy ny dobo any Hesbona, Eo akaikin\u2019ny vavahadin\u2019i Bata-rabima. Ny oronao kosa tahaka ny tilikambon\u2019i Lib\u00e0na, Izay tandrifin\u2019i Damaskosy.",
"5": "Tsara tarehy hoatran\u2019ny Tendrombohitra Karmela ny lohanao, Ary tahaka ny volonondry volomparasy ny volonao. Babon\u2019ny volonao mihofahofa ny mpanjaka.",
"6": "Tena tsara tarehy sy mahafinaritra ianao, ry\u00a0tovovavy malalako, Mbola kanto noho izay mety ho kanto!",
"7": "Hoatran\u2019ny hazo palmie ny fijoronao, Ary toy ny antrendry ny nononao.",
"8": "Hoy aho: \u2018Hianika an\u2019ilay hazo palmie aho, Mba haka ny tahony misy voany.\u2019 Enga anie ho tahaka ny voaloboka amin\u2019ny tangozany ny nononao, Ho manitra hoatran\u2019ny paoma ny fofonainao,",
"9": "Ary ho toy ny divay faran\u2019izay tsara ny vavanao!\u201d \u201cEnga anie ilay divay hidina moramora ao an-tendan\u2019ilay mamin\u2019ny foko, Ary hikoriana moramora eo amin\u2019ny molotr\u2019izay matory!\u201d",
"10": "An\u2019ny malalako aho, Ary izaho no iriny.",
"11": "Avia, ry ilay mamin\u2019ny foko, Andao isika ho any an-tsaha. Andao isika hipetraka eny ambanin\u2019ny moina.",
"12": "Andao isika hifoha maraina ho any an-tanimboaloboka, Mba hijery raha mitsimoka ny voaloboka, Ary raha efa mamelana ny zavamaniry, Na efa mamony ny ampongabendanitra. Any aho no haneho ny fitiavako anao.",
"13": "Manitra er\u1ef3 ny angividia! Ary misy voankazo tsara\u00a0be isan-karazany eo am-baravarantsika. Na ny vaovao na ny efa ela, Dia samy notehiriziko ho anao, ry\u00a0ilay mamin\u2019ny foko."
},
"8": {
"1": "\u201cRaha mba hoatran\u2019ny anadahiko mantsy ianao, Ka ninono tamin\u2019i Neny, Dia hanoroka anao aho raha mahita anao eny ivelany eny, Nefa tsy hisy olona hanome tsiny ahy.",
"2": "Hoentiko ianao, Hoentiko any an-tranon\u2019i Neny, Ilay nampianatra ahy. Horosoako divay nasiana zava-manitra ianao, Sady homeko ranon\u2019ampongabendanitra vao avy natao.",
"3": "Hiondanako ny tanany ankavia, Ary hamihina ahy ny tanany ankavanana.",
"4": "Ry zanakavavin\u2019i Jerosalema\u00a0\u00f4! Asaiko mianiana ianareo Mba tsy hitady hanaitra na hampitsiry fitiavana ato amiko, fa avelao ilay izy hitsiry ho azy.\u201d",
"5": "\u201cIza iny miakatra avy any an-tany efitra iny, Iny mitehina amin\u2019ny malalany iny?\u201d \u201cTeo ambany paoma ianao no nofohaziko. Teo ny reninao no nihetsi-jaza niteraka anao. Teo ilay niteraka anao no nihetsi-jaza.",
"6": "Ataovy hoatran\u2019ny tombo-kase eo amin\u2019ny fonao aho, Hoatran\u2019ny tombo-kase eo amin\u2019ny sandrinao. Fa mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana, Ary tsy mety milefitra mihitsy hoatran\u2019ny Fasana ny fitiavan\u2019ny olona tokam-po. Toy ny lelafo miredareda izany, dia lelafo avy amin\u2019i Jah.",
"7": "Na dia rano manonja\u00a0be aza tsy mahafaty ny afom-pitiavana. Na renirano koa aza tsy mahavita manongotra azy. Raha misy olona manome ny harena rehetra ao an-tranony mba hividianana fitiavana, Dia tena hatao tsinontsinona izany.\u201d",
"8": "\u201cManana anabavy kely Mbola tsy misy nono izahay. Hataonay ahoana\u00a0izy Rehefa misy mangataka indray andro any?\u201d",
"9": "\u201cRaha manda izy, Dia hanorenantsika tampony volafotsy eo amboniny. Fa raha varavarana kosa izy, Dia hosakanantsika amin\u2019ny hazo fisaka sedera.\u201d",
"10": "\u201cManda aho, Ary hoatran\u2019ny tilikambo ny nonoko. Mijery ahy ilay malalako, Dia hitany hoe milamin-tsaina aho.",
"11": "Nanana tanimboaloboka tany Bala-hamona i\u00a0Solomona, Ary nisy olona nasainy nikarakara an\u2019ilay izy. Samy nanome volafotsy arivo sekely avy izy rehetra, rehefa niakatra ny vokatra.",
"12": "Anao, ry Solomona, ny volafotsy arivo sekely, Ary ny roanjato kosa an\u2019izay mikarakara ny vokatra. Fa izaho kosa manana tanimboaloboka azoko ampiasaina amin\u2019izay itiavako azy.\u201d",
"13": "\u201cRy ilay mipetraka ao an-jaridaina\u00a0\u00f4! Tena te hihaino ny feonao ny namako. Izaho koa te haheno ny feonao.\u201d",
"14": "\u201cTongava haingana, ry\u00a0malalako! Mihazakazaha mafy hoatran\u2019ny gazela Na hoatran\u2019ny zanaka serfa Eny an-tendrombohitry ny zava-manitra.\u201d\u201d"
},
"meta": {
"name": "Tononkiran\u2019i Solomona",
"order": 21,
"chapter_number": 8
}
}