UNPKG

mg-bibles

Version:

A package for accessing Bible verses in Malagasy (MG), Diem, King James (KJV), and Louis Segond (APEE) versions

2,769 lines 325 kB
{
    "1": {
        "1": "Sambatra ny olona tsy manaraka ny torohevitry ny ratsy fanahy, Sy tsy mijoro eny amin\u2019ny lalan\u2019ny mpanota, Ary tsy mipetraka eny amin\u2019izay ipetrahan\u2019ny mpanesoeso.",
        "2": "Fa ny lal\u00e0n\u2019i Jehovah no mahafinaritra azy, Ary ny lal\u00e0ny no vakiny sy saintsaininy andro aman\u2019alina.",
        "3": "Ho toy ny hazo nambolena eo amoron\u2019ny rano mikoriana izy, Dia hazo mamoa amin\u2019ny fotoanany, Sady tsy mba malazo ny raviny. Ary hety tsara daholo izay ataony.",
        "4": "Tsy mba toy izany kosa ny ratsy fanahy; Toy ny akofa entin\u2019ny rivotra izy ireo.",
        "5": "Izany no mahatonga ny ratsy fanahy tsy hahajoro eo anatrehan\u2019ny fitsarana, Sy mahatonga ny mpanota tsy hahajoro eo anivon\u2019ny olo-marina.",
        "6": "Fantatr\u2019i Jehovah mantsy ny lalan\u2019ny olo-marina, Fa ny lalan\u2019ny ratsy fanahy kosa ho foana."
    },
    "2": {
        "1": "Nahoana no mikorontana ireo firenena, Ary mingonongonona miteny zavatra tsy misy dikany ny vahoaka?",
        "2": "Mitsangana ireo mpanjakan\u2019ny tany Ary mivondrona ny manam-pahefana ambony, Mba hanohitra an\u2019i Jehovah sy ilay voahosotra notendreny.",
        "3": "Hoy izy ireo: \u201cAndao hotapahintsika ny fatotra nataony, Ary hariantsika ny tady namatorany antsika!\u201d",
        "4": "Hihomehy fotsiny anefa Ilay mipetraka eo amin\u2019ny seza fiandrianana any an-danitra; Haneso azy ireo i Jehovah.",
        "5": "Ho tezitra be izy amin\u2019izay rehefa hiteny amin\u2019izy ireo, Ary hampihorohoro azy ireo amin-katezerana mafy,",
        "6": "Ka hilaza hoe: \u201cIzaho mihitsy no efa nametraka ny mpanjakako Ao Ziona, tendrombohitro masina.\u201d",
        "7": "Hanambara ny didin\u2019i Jehovah aho. Hoy izy tamiko: \u201cZanako ianao; Androany aho no lasa rainao.",
        "8": "Angataho amiko ireo firenena, dia homeko ho lovanao, Ary ny tany manontolo, fa homeko ho fanananao.",
        "9": "Hopotehinao amin\u2019ny tehina\u00a0vy ireny, Ary hotorotoroinao toy ny vilany tanimanga.\u201d",
        "10": "Koa asehoy hoe misaina tsara ianareo, ry\u00a0mpanjaka; Maneke fanitsiana, ry mpitsara eto an-tany!",
        "11": "Manompoa an\u2019i Jehovah sady matahora azy, Ary mifalia, nefa koa mangovita.",
        "12": "Omeo voninahitra ilay zanaka sao ho tezitra Andriamanitra Ka ho ringana ianareo, Fa vetivety dia mirehitra ny fahatezerany. Sambatra izay rehetra mialoka aminy."
    },
    "3": {
        "1": "Jehovah\u00a0\u00f4, nahoana no lasa be dia\u00a0be toy izao ny fahavaloko? Nahoana no maro be no mitsangana hanohitra ahy?",
        "2": "Betsaka no milaza momba ahy hoe: \u201cTsy hovonjen\u2019Andriamanitra izy.\u201d ( Sela )",
        "3": "Ianao anefa no ampinga manodidina ahy, Jehovah\u00a0\u00f4, Ianao no voninahitro, ary Ianao no mampitraka ny lohako.",
        "4": "Hiantso mafy an\u2019i Jehovah aho, Dia hamaly ahy avy any an-tendrombohiny masina izy. ( Sela )",
        "5": "Hitsotsotra aho ka hatory, Ary hifoha sady tsy hanana ahiahy, Satria manohana ahy foana i Jehovah.",
        "6": "Tsy atahorako ny olona an\u2019alinaliny, Izay milahatra manodidina ahy mba hamely ahy.",
        "7": "Mitsang\u00e0na, Jehovah\u00a0\u00f4! Vonjeo aho, ry\u00a0Andriamanitro\u00a0\u00f4! Fa hamely an\u2019ireo fahavaloko rehetra eo amin\u2019ny valanoranony ianao; Hotapatapahinao ny nifin\u2019ny ratsy fanahy.",
        "8": "Avy amin\u2019i Jehovah ny famonjena. Mitahy ny vahoakanao ianao. ( Sela )"
    },
    "4": {
        "1": "Ry Andriamanitro tia rariny\u00a0\u00f4, valio aho rehefa miantso anao. Ataovy mahita lalan-kivoahana amin\u2019ny fahoriako aho. Iantrao aho, ka henoy ny vavaka ataoko.",
        "2": "Ry zanak\u2019olombelona, mandra-pahoviana ianareo no tsy hanome voninahitra ahy fa hanala baraka ahy? Mandra-pahoviana ianareo no ho tia zavatra tsy misy dikany sy hamoron-dainga? ( Sela )",
        "3": "Fantaro fa miavaka ny fomba hitondran\u2019i Jehovah ny olona tsy mivadika aminy; Hihaino i Jehovah rehefa miantso azy aho.",
        "4": "Tezera fa aza manota. Taz\u00f2ny ao am-ponareo ihany ny teninareo, eo am-pandriana. Ary aoka ianareo hangina. ( Sela )",
        "5": "Manaova sorona araka ny fahamarinana, Ary matokia an\u2019i Jehovah.",
        "6": "Maro no miteny hoe: \u201cIza no hanome zavatra tsara ho antsika?\u201d Aoka ny hazavanao hamirapiratra aminay, Jehovah\u00a0\u00f4!",
        "7": "Ataonao izay hahatonga ny foko ho faly kokoa Noho ny an\u2019ireo nahavokatra varimbazaha be dia\u00a0be sy divay vaovao betsaka.",
        "8": "Hitsotsotra sy hatory amim-piadanana aho, Satria ianao irery ihany, Jehovah\u00a0\u00f4, no mahatonga ahy hiadana sy hilamin-tsaina."
    },
    "5": {
        "1": "Henoy ny teniko, Jehovah\u00a0\u00f4! Misento aho ka mba henoy.",
        "2": "Henoy ny antso vonjy ataoko, Ry Mpanjakako sy Andriamanitro\u00a0\u00f4, fa ianao no ivavahako.",
        "3": "Jehovah\u00a0\u00f4, haheno ny feoko ianao amin\u2019ny maraina; Horesahiko aminao amin\u2019ny maraina izay mampanahy ahy, ary tsy ho andriko izay hahazoana ny valiny.",
        "4": "Fa tsy mba Andriamanitra faly amin\u2019ny faharatsiana ianao; Tsy misy olon-dratsy afaka miara-monina aminao.",
        "5": "Tsy misy mpirehareha mahajoro eo anatrehanao. Mankahala an\u2019izay rehetra manao ratsy ianao;",
        "6": "Haringanao izay milaza lainga. Halan\u2019i Jehovah ny olona mahery setra sy mpamitaka.",
        "7": "Izaho kosa hiditra ao an-tranonao satria tena be\u00a0fitiavana sy tsy mivadika ianao; Hiankohoka manandrify ny tempolinao masina aho, noho ny fahatahorako anao.",
        "8": "Jehovah\u00a0\u00f4, manao ny rariny ianao. Tariho aho fa manodidina ahy ny fahavaloko; Ataovy tsy misy sakantsakana ny lalanao mba handehanako.",
        "9": "Fa tsy misy azo atokisana izay lazain\u2019izy ireo; Tsy mieritreritra afa-tsy ny hanisy ratsy izy ireo; Fasana misokatra ny tendany; Mandokadoka amin\u2019ny lelany izy ireo.",
        "10": "Hambaran\u2019Andriamanitra hoe meloka anefa izy ireo; Ny tetika nataony ihany no hahavoa azy. Enga anie izy ireo ho voaroaka fa nandika lal\u00e0na imbetsaka, Satria nikomy taminao!",
        "11": "Hifaly kosa izay rehetra mialoka aminao; Hihoby foana izy ireo. Hosakananao izay manatona hamely azy, Ary hifaly aminao izay tia ny anaranao.",
        "12": "Fa hotahinao ny olo-marina, Jehovah\u00a0\u00f4! Hataonao manodidina azy toy ny ampinga lehibe ny fankasitrahanao."
    },
    "6": {
        "1": "Jehovah\u00a0\u00f4, aza tezitra rehefa mananatra ahy ianao, Ary aza misafoaka rehefa manitsy ahy.",
        "2": "Iantrao aho, Jehovah\u00a0\u00f4, fa mihareraka. Sitrano aho, Jehovah\u00a0\u00f4, fa mangozohozo ny taolako.",
        "3": "Mikorontan-tsaina be aho, Ka manontany anao hoe: Jehovah\u00a0\u00f4, mandra-pahoviana no hitohy izao?",
        "4": "Miverena ka afaho aho, Jehovah\u00a0\u00f4! Vonjeo aho fa be\u00a0fitiavana sy tsy mivadika ianao.",
        "5": "Tsy afaka miresaka momba anao mantsy ny maty. Iza ao amin\u2019ny Fasana no hidera anao?",
        "6": "Sasatry ny misento aho; Vonton\u2019ny ranomasoko ny fandrianako mandritra ny alina; Kotsan\u2019ny ranomasoko ny farafarako.",
        "7": "Reraky ny alahelo ny masoko Sady manjavozavo, noho ny ataon\u2019izay rehetra mampijaly ahy.",
        "8": "Mial\u00e0 eto amiko ianareo rehetra manao ratsy, Fa ho ren\u2019i Jehovah ny fitomaniako.",
        "9": "Ho ren\u2019i Jehovah ny fitalahoako famindram-po; Hohenoin\u2019i Jehovah ny vavaka ataoko.",
        "10": "Ho menatra be sy ho very hevitra ny fahavaloko rehetra; Handositra izy ireo ka ho afa-baraka tampoka."
    },
    "7": {
        "1": "Jehovah Andriamanitro\u00a0\u00f4, ianao no ialofako. Vonjeo aho tsy ho azon\u2019izay rehetra manenjika ahy ka afaho.",
        "2": "Raha tsy izany mantsy, dia hoviravirain\u2019izy ireo toy ny ataon\u2019ny liona aho, Ka hoentiny mandositra nefa tsy misy mpamonjy.",
        "3": "Jehovah Andriamanitro\u00a0\u00f4, raha izaho no diso, Na nanao ny tsy rariny,",
        "4": "Na nanao ratsy tamin\u2019izay nanisy soa ahy, Na nandroba ny fahavaloko tsy amin\u2019antony,",
        "5": "Dia aoka hanenjika ahy ny fahavalo ka hahatratra ahy; Aoka hohitsakitsahiny eo amin\u2019ny tany aho, Ary hohosihoseny eo amin\u2019ny vovoka ny voninahitro. ( Sela )",
        "6": "Mitsang\u00e0na, Jehovah\u00a0\u00f4, ary asehoy hoe tezitra ianao! Mijoroa hanohitra ny fisafoakan\u2019ny fahavaloko; Mifohaza hamonjy ahy, ary asaivo ampiharina ny rariny.",
        "7": "Aoka hanodidina anao ireo firenena; Dia hamely azy ireo avy eny amin\u2019ny avo ianao.",
        "8": "Hamoaka didim-pitsarana hampiharina amin\u2019ireo firenena i Jehovah. Jehovah\u00a0\u00f4, tsarao araka ny fahamarinako Sy ny tsy fivadihako aho.",
        "9": "Mba farano re ny zava-dratsy ataon\u2019ny ratsy fanahy\u00a0e! Ataovy mafy orina kosa ny olo-marina, Satria ianao ilay Andriamanitra tia rariny, izay mandinika ny fo sy ny fihetseham-po lalina indrindra.",
        "10": "Andriamanitra no ampingako, dia ilay Mpamonjy ny mahitsy\u00a0fo.",
        "11": "Mpitsara manao ny rariny Andriamanitra, Ary manambara ny didim-pitsarany isan\u2019andro izy.",
        "12": "Rehefa misy olona tsy mibebaka, dia mandranitra ny sabany izy; Mamoritra sy manomana ny tsip\u00eckany izy.",
        "13": "Manomana fitaovam-piadiana mahafaty izy; Ataony vonona ny zana-tsip\u00ecka mirehitra.",
        "14": "Jereo ilay bevohoka faharatsiana; Fahoriana no miforona ao an-kibony, ka lainga no aterany.",
        "15": "Mihady lavaka izy ary ataony lalina\u00a0be ilay izy, Nefa izy ihany no ho latsaka ao.",
        "16": "Hivaly aminy ihany ny fampahoriana ataony; Hilatsaka eo an-tampon-dohany ny herisetra vitany.",
        "17": "Hidera an\u2019i Jehovah aho fa manao ny rariny izy; Hihira fiderana aho ho an\u2019ny anaran\u2019i Jehovah, ilay Avo Indrindra."
    },
    "8": {
        "1": "Ry Jehovah Tomponay\u00a0\u00f4, heni-kaja eran-tany ny anaranao; Ataonao avo noho ny lanitra ny voninahitrao!",
        "2": "Noho ny ataon\u2019ireo manohitra anao, Dia avy amin\u2019ny vavan\u2019ny ankizy sy ny zaza no ampisehoanao ny herinao, Mba hampangina ny fahavalo sy ny mpamaly faty.",
        "3": "Rehefa jereko ny lanitrao, izay asan\u2019ny rantsantananao, Sy ny volana ary ny kintana noforoninao,",
        "4": "Dia inona moa izay olombelona mety maty no tsaroanao? Ary inona moa izay zanak\u2019olombelona no karakarainao?",
        "5": "Nataonao ambany kely noho ny anjely izy, Ary nosatrohanao haja amam-boninahitra.",
        "6": "Nomenao fahefana hanjaka amin\u2019ny asan\u2019ny tananao izy; Nataonao eo ambany tongony ny zava-drehetra:",
        "7": "Ny biby fiompy rehetra, toy ny ondry aman\u2019osy sy ny omby, Ary koa ny bibidia,",
        "8": "Ny voro-manidina, sy ny trondro any an-dranomasina, Ary izay rehetra mivezivezy any an-dranomasina.",
        "9": "Ry Jehovah Tomponay\u00a0\u00f4, heni-kaja eran-tany ny anaranao!"
    },
    "9": {
        "1": "Hidera anao amin\u2019ny foko manontolo aho, Jehovah\u00a0\u00f4! Hilaza an\u2019ireo zavatra rehetra mahatalanjona nataonao aho.",
        "2": "Hifaly sy hiravoravo aho noho ny aminao; Hihira fiderana ho an\u2019ny anaranao aho, ry\u00a0Avo Indrindra\u00a0\u00f4! \u05d1 [ Beta ]",
        "3": "Rehefa mitsoaka mandositra ny fahavaloko, Dia ho tafintohina sy ho ringana eo anatrehanao.",
        "4": "Fa niaro ahy ianao mba hahazoako rariny; Mipetraka eo amin\u2019ny seza fiandrianana ianao, ka mitsara araka ny rariny. \u05d2 [ Gimela ]",
        "5": "Nanarinao mafy ireo firenena ary naringanao ny ratsy fanahy, Ka nofafanao mandrakizay mandrakizay ny anaran\u2019izy ireo.",
        "6": "Ripaka tsy misy intsony ny fahavalo; Noravanao ny tan\u00e0nany, Ka tsy hotsarovana intsony izy ireo. \u05d4 [ He ]",
        "7": "I Jehovah kosa mipetraka mandrakizay eo amin\u2019ny seza fiandrianany; Ataony mafy orina ny seza fiandrianany mba hampiharana ny rariny.",
        "8": "Hotsarainy araka ny rariny ny tany misy mponina; Hamoaka didim-pitsarana ara-drariny ho an\u2019ireo firenena izy. \u05d5 [ Vao ]",
        "9": "Ho fialofana azo antoka i Jehovah ho an\u2019izay ampahorina, Dia fialofana azo antoka amin\u2019ny fotoan-tsarotra.",
        "10": "Hatoky anao izay mahalala ny anaranao; Tsy hafoinao mihitsy izay mitady anao, Jehovah\u00a0\u00f4! \u05d6 [ Zaina ]",
        "11": "Manaova hira fiderana ho an\u2019i Jehovah, ilay mipetraka ao Ziona; Ampahafantaro an\u2019ireo firenena ny zavatra nataony.",
        "12": "Fa hahatsiaro an\u2019ireo ampijalina Izy ka hamaly an\u2019izay nandatsaka ny ran\u2019izy ireo; Tsy hohadinoiny ny fitarainan\u2019izy ireo. \u05d7 [ Heta ]",
        "13": "Iantrao aho, Jehovah\u00a0\u00f4! Jereo ny fahoriako noho ny ataon\u2019ireo mankahala ahy. Ianao no mampitsangana ahy hiala eo am-bavahadin\u2019ny fahafatesana,",
        "14": "Mba hanambarako eo am-bavahadin\u2019i Ziona zanakavavy ny asa mendri-piderana ataonao, Sy hifaliako noho ny asa famonjena ataonao. \u05d8 [ Teta ]",
        "15": "Latsaka ao amin\u2019ny lavaka nataony ireo firenena; Ny tongony ihany no voafandriky ny harato nafeniny.",
        "16": "Fantatra amin\u2019ny didim-pitsarana ampihariny i Jehovah. Ny zavatra nataon\u2019ny tanan\u2019ny ratsy fanahy ihany no mamandrika azy. Higaiona. ( Sela ) \u05d9 [ Y\u00f4da ]",
        "17": "Handositra ho any amin\u2019ny Fasana ny ratsy fanahy, Dia ny firenena rehetra manadino an\u2019Andriamanitra.",
        "18": "Tsy hohadinoina foana kosa ny mahantra; Ary tsy ho foana mandrakizay ny fanantenan\u2019ny mpandefitra. \u05db [ Kafa ]",
        "19": "Mitsang\u00e0na, Jehovah\u00a0\u00f4! Aza avela handresy ny olombelona mety maty. Enga anie hotsaraina eo anatrehanao ireo firenena!",
        "20": "Ataovy raiki-tahotra izy ireo, Jehovah\u00a0\u00f4! Aoka ho fantatr\u2019ireo firenena fa olombelona mety maty ihany izy ireo. ( Sela )"
    },
    "10": {
        "1": "Nahoana ianao no mijoro eny lavitra eny, Jehovah\u00a0\u00f4? Nahoana no miafina ianao amin\u2019ny fotoam-pahoriana?",
        "2": "Manambony tena ny ratsy\u00a0fanahy ka enjehiny ny tsy misy mpiaro. Ho voafandriky ny tetika nataony anefa izy.",
        "3": "Fa mirehareha momba ny faniriany feno fitiavan-tena ny ratsy\u00a0fanahy, Ary mitso-drano an\u2019ilay tsy mety afa-po; \u05e0 [ Nona ] Maniratsira an\u2019i Jehovah izy.",
        "4": "Miavonavona ny ratsy fanahy ka tsy mba manadihady; Izao ihany no ao an-tsainy: \u201cTsy misy izany Andriamanitra izany.\u201d",
        "5": "Mahomby foana izay ataony, Nefa tsy takatry ny sainy ny didim-pitsaranao. Esoesoiny daholo ny fahavalony.",
        "6": "Hoy izy any am-pony any: \u201cTsy mba hangozohozo aho. Tsy hisy loza hanjo ahy mihitsy, Hatrany amin\u2019ny taranako fara aman-dimby.\u201d \u05e4 [ Pe ]",
        "7": "Feno ozona sy lainga ary fandrahonana ao am-bavany; Fampahoriana sy fampijaliana no ao ambany lelany.",
        "8": "Miafina mba hanafika eny akaikin\u2019ny tan\u00e0na kely izy; Avy ao amin\u2019ny toeram-piafenany izy no mamono ny tsy manan-tsiny. \u05e2 [ Aina ] Mitilitily an\u2019izay olona azony asiana izy.",
        "9": "Mamitsaka ao amin\u2019ny toeram-piafenany izy, toy ny liona ao amin\u2019ny fonenany. Mamitsaka hisambotra an\u2019ilay tsy misy mpiaro izy. Azony ilay tsy misy mpiaro rehefa sintoniny hikombona ny haratony.",
        "10": "Torotoro sy voahosihosy izay azony; Lasa eo ambany fifehezany ireo marefo.",
        "11": "Hoy izy any am-pony any: \u201cEfa nanadino Andriamanitra. Efa nihodina tsy nijery izy. Tsy mahita mihitsy izy.\u201d \u05e7 [ K\u00f4fa ]",
        "12": "Mitsang\u00e0na, Jehovah\u00a0\u00f4! Ingao ny tananao, Andriamanitra\u00a0\u00f4! Aza hadinoina ireo tsy misy mpiaro.",
        "13": "Nahoana no maniratsira an\u2019Andriamanitra ny ratsy fanahy? Hoy izy any am-pony any: \u201cTsy hanao ampamoaka ahy ianao.\u201d \u05e8 [ Resa ]",
        "14": "Tena hitanao anefa ny zava-tsarotra sy ny fahoriana. Jerenao izany ka raisinao an-tanana. Ianao no ianteheran\u2019ny marefo; Ianao no mpanampy ny kamboty ray. \u05e9 [ Shina ]",
        "15": "Tapaho ny sandrin\u2019ny ratsy fanahy sy ny olon-dratsy. Amin\u2019izay rehefa mikaroka ny faharatsiany ianao, Dia tsy hahita an\u2019izany intsony.",
        "16": "Mpanjaka mandrakizay mandrakizay i Jehovah. Ripaka tsy misy eto an-tany ireo firenena. \u05ea [ Tao ]",
        "17": "Fa hohenoinao kosa, Jehovah\u00a0\u00f4, ny fitalahoan\u2019ny mpandefitra. Hanatanjaka ny fony ianao sady hihaino tsara azy.",
        "18": "Hanome rariny ho an\u2019ny kamboty ray sy izay ampijalina ianao, Mba tsy hampatahotra azy ireo intsony ny olombelona mety maty, dia ny olona et\u1ef3 an-tany."
    },
    "11": {
        "1": "I Jehovah no ialofako, Koa nahoana ianareo no sahy milaza amiko hoe: \u201cMandosira toy ny vorona, dia mankanesa any an-tendrombohitrareo?",
        "2": "Jereo fa manomana tsip\u00ecka ny ratsy fanahy; Ataon\u2019izy ireo eo amin\u2019ny tadin-tsip\u00ecka ny zana-tsip\u00eckany, Mba hitifirany ny mahitsy\u00a0fo, avy ao amin\u2019ny maizimaizina.",
        "3": "Raha rava ny fototra, Inona no azon\u2019ny olo-marina atao?\u201d",
        "4": "Ao amin\u2019ny tempoliny masina i Jehovah. Any an-danitra ny seza fiandrianan\u2019i Jehovah. Ny masony mijery, ny masony mandinika ny zanak\u2019olombelona.",
        "5": "Samy dinihin\u2019i Jehovah na ny olo-marina na ny ratsy fanahy; Mankahala an\u2019izay tia herisetra izy.",
        "6": "Handrarahany fandrika ny ratsy fanahy; Afo sy solifara ary rivotra mahamay no ho anjaran\u2019izy ireo.",
        "7": "Fa manao ny rariny i Jehovah, ary tia ny rariny izy. Ny olona manao izay mahitsy no hahita ny tarehiny."
    },
    "12": {
        "1": "Vonjeo aho, Jehovah\u00a0\u00f4, fa tsy misy intsony ny olona tsy mivadika; Tsy ahitana olona mendri-pitokisana intsony eo amin\u2019ny olombelona.",
        "2": "Mifandainga izy ireo; Mandokadoka ny vavany ary avy amin\u2019ny fo feno fitaka ny zavatra lazainy.",
        "3": "Hataon\u2019i Jehovah mangina ny molotra rehetra tia mandokadoka Sy ny lela mieboebo\u00a0be,",
        "4": "Dia ireo milaza hoe: \u201cNy lelanay no handresenay. Azonay ampiasaina araka izay tianay ny molotray; Iza no ho afaka hifehy anay?\u201d",
        "5": "\u201cSatria ampahorina ny olona mijaly Ary misento ny mahantra, Dia hitsangana aho ka hanao zavatra\u201d, hoy i Jehovah. \u201cHovonjeko izy ireo mba tsy ho azon\u2019izay manao tsinontsinona azy.\u201d",
        "6": "Madio ny tenin\u2019i Jehovah; Toy ny volafotsy voadio tao amin\u2019ny fatana tanimanga izany, eny, voadio impito.",
        "7": "Hiambina azy ireo ianao, Jehovah\u00a0\u00f4! Hiaro azy tsirairay mandrakizay tsy ho azon\u2019ity taranaka ity ianao.",
        "8": "Mivezivezy malalaka etsy sy eroa ny ratsy fanahy, Satria mampirisika ny olona ho ratsy fitondran-tena ny zanak\u2019olombelona."
    },
    "13": {
        "1": "Jehovah\u00a0\u00f4, mandra-pahoviana ianao no hanadino ahy? Ho mandrakizay\u00a0ve? Mandra-pahoviana ianao no hihodina tsy hijery ahy?",
        "2": "Mandra-pahoviana aho no hitebiteby, Ka halahelo isan\u2019andro ny foko? Mandra-pahoviana ny fahavaloko no handresy ahy?",
        "3": "Jereo aho ka valio, Jehovah Andriamanitro\u00a0\u00f4! Omeo hazavana ny masoko, mba tsy ho renoky ny torimasom-pahafatesana aho,",
        "4": "Sao hilaza ny fahavaloko hoe: \u201cResiko izy!\u201d Aza avela ho faly amin\u2019ny fahavoazako ireo manohitra ahy.",
        "5": "Fa izaho matoky hoe be\u00a0fitiavana sy tsy mivadika ianao; Hifaly ny foko noho ny asa famonjena ataonao.",
        "6": "Hihira ho an\u2019i Jehovah aho, fa be dia\u00a0be ny valisoa nomeny ahy."
    },
    "14": {
        "1": "Ny adala miteny anakampo hoe: \u201cTsy misy izany Jehovah izany.\u201d Tena ratsy sy maharikoriko ny zavatra ataony; Tsy misy manao ny tsara izy ireo.",
        "2": "I Jehovah anefa mitazana ny zanak\u2019olombelona avy any an-danitra, Mba hahitana raha misy olona lalin-tsaina ka mitady an\u2019i Jehovah.",
        "3": "Nivily nankany amin\u2019ny lalan-diso izy rehetra; Ratsy toetra daholo izy ireo. Tsy misy manao ny tsara, Na iray aza.",
        "4": "Tsy mba misy tonga saina ve ny mpanao ratsy? Arapany ny vahoakako, ka hohaniny hoatran\u2019ireny mihinan-kanina ireny. Tsy mba miantso an\u2019i Jehovah izy ireo.",
        "5": "Hatahotra be anefa izy ireo, Satria i Jehovah no eo amin\u2019ny taranaka manao ny marina.",
        "6": "Ataon\u2019ny mpanao ratsy izay tsy hahatanteraka ny fikasan\u2019ny tsy manana. I Jehovah anefa no ialofany.",
        "7": "Enga anie ka ho avy ao Ziona ny famonjena ny Israely! Rehefa ampodin\u2019i Jehovah ny vahoakany lasa babo, Dia hifaly i Jakoba, ary hiravoravo i Israely."
    },
    "15": {
        "1": "Jehovah\u00a0\u00f4, iza no afaka mivahiny ao amin\u2019ny tranolainao? Iza no afaka monina ao amin\u2019ny tendrombohitrao masina?",
        "2": "Izay mandeha tsy misy tsiny Sy manao izay mahitsy Ary milaza ny marina ao am-pony.",
        "3": "Tsy manendrikendrika amin\u2019ny lelany izy, Na manisy ratsy olona, Na manala baraka ny namany.",
        "4": "Tsy mety miaraka amin\u2019ny olona tsy misy ilana azy izy, Fa hajainy kosa izay matahotra an\u2019i Jehovah. Tsy mivadika amin\u2019ny fampanantenany izy, na dia mitondra fahavoazana ho azy aza izany.",
        "5": "Tsy mitaky zanabola izy rehefa mampisambotra, Ary tsy mandray kolikoly mba hanamelohana ny tsy manan-tsiny. Tsy hangozohozo mihitsy izay manao an\u2019izany rehetra izany."
    },
    "16": {
        "1": "Arovy aho, Andriamanitra\u00a0\u00f4, fa ianao no ialofako.",
        "2": "Hoy aho tamin\u2019i Jehovah: \u201cIanao no Jehovah. Avy aminao ny zavatra tsara rehetra ananako.",
        "3": "Ary ny olona masina et\u1ef3 an-tany, Izany hoe ireo mendrika ny homena voninahitra, no tena mahafinaritra ahy.\u201d",
        "4": "Mampitombo ny fahoriany izay maimaika hanompo andriamani-kafa. Tsy handraraka ra atao fanatitra zava-pisotro ho an\u2019ireny mihitsy aho, Ary tsy hanonona ny anarany ny molotro.",
        "5": "I Jehovah no anjara nomena ahy sy kaopy ahazoako fitahiana. Narovanao ny lovako.",
        "6": "Toerana mahafinaritra no voafaritra ho ahy. Afa-po amin\u2019ny lovako aho.",
        "7": "Hoderaiko i Jehovah, izay manome torohevitra ahy. Na dia mandritra ny alina aza, dia manitsy ahy ny eritreritro lalina indrindra.",
        "8": "Ataoko eo anatrehako foana i Jehovah. Tsy hangozohozo mihitsy aho satria izy eo ankavanako.",
        "9": "Koa faly ny foko; ravoravo ny tenako manontolo. Ary tsy manana ahiahy aho.",
        "10": "Fa tsy ho foinao hijanona ao amin\u2019ny Fasana aho. Tsy havelanao hahita ny lavaka ilay mpanomponao tsy mivadika.",
        "11": "Ampahafantarinao ahy ny lalan\u2019ny fiainana. Mahafaly be ny eo anatrehanao; Mahasambatra mandrakizay ny eo ankavananao."
    },
    "17": {
        "1": "Mba henoy aho fa mangataka ny rariny, Jehovah\u00a0\u00f4! Mba henoy aho fa miantso vonjy; Henoy ny vavaka ataoko amim-pahatsorana.",
        "2": "Enga anie ianao hanome rariny ahy, Ary ho hitan\u2019ny masonao anie fa manao izay mahitsy aho!",
        "3": "Ianao efa nandinika ny foko sy nanara-maso ahy nandritra ny alina; Nanadio ahy ianao; Ho hitanao fa tsy nitetika ny hanao ratsy aho, Ary tsy nandika lal\u00e0na aho tamin\u2019izay nolazaiko.",
        "4": "Na inona na inona ataon\u2019ny olona, Dia ny teninao no arahiko, ka tsy manahaka ny fanaon\u2019ny jiolahy aho.",
        "5": "Avelao hanaraka foana ny lalanao ny diako, Amin\u2019izay dia tsy ho tafintohina ny tongotro.",
        "6": "Miantso anao aho satria hamaly ahy ianao, Andriamanitra\u00a0\u00f4! Aoka ianao hanongilan-tsofina hihaino ny teniko.",
        "7": "Asehoy amin\u2019ny fomba miavaka hoe be\u00a0fitiavana sy tsy mivadika ianao, Ry Mpamonjy an\u2019izay mialoka eo amin\u2019ny tananao ankavanana Mba tsy ho azon\u2019izay mikomy aminao.",
        "8": "Arovy toy ny anakandriamasonao aho. Afeno eo ambany aloky ny elatrao aho.",
        "9": "Arovy aho mba tsy ho azon\u2019izay ratsy fanahy mamely ahy, Dia ireo fahavaloko mety maty izay manodidina ahy.",
        "10": "Lasa tsy mihontsina intsony izy ireo; Teny feno fireharehana no avoakan\u2019ny vavany.",
        "11": "Manodidina anay izy ireo izao, Miandry kendry tohina handavoana anay.",
        "12": "Toy ny liona efa te hamiravira mafy ny rembiny izy, Toy ny liona tanora mamitsaka mba hamely.",
        "13": "Mitsang\u00e0na, Jehovah\u00a0\u00f4, mba hifanandrina aminy sy handresy azy; Vonjeo amin\u2019ny sabatrao aho mba tsy ho azon\u2019ny ratsy fanahy;",
        "14": "Vonjeo amin\u2019ny tananao aho, Jehovah\u00a0\u00f4, Mba tsy ho azon\u2019ny olon\u2019izao tontolo izao, izay tsy manana anjara afa-tsy amin\u2019izao fiainana izao, Dia ireo mahazo zava-tsoa maro avy aminao Ary mamela lova ho an\u2019ireo zanany be dia\u00a0be.",
        "15": "Fa izaho kosa manao ny marina, ka hahita ny tarehinao; Afa-po aho rehefa mifoha eo anatrehanao."
    },
    "18": {
        "1": "Miraiki-po aminao aho, Jehovah\u00a0\u00f4! Ianao no heriko.",
        "2": "I Jehovah no harambatoko sy manda fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy. Ilay Andriamanitro no vatolampiko. Ao aminy aho no mialoka, Izy no ampingako sy tandroka famonjena ahy, fialofana azoko antoka.",
        "3": "I Jehovah, ilay mendrika hoderaina, no antsoiko, Ka ho voavonjy amin\u2019ny fahavaloko aho.",
        "4": "Namatotra ahy toy ny tady ny fahafatesana; Nampihorohoro ahy ireo olona tsy misy ilana azy, izay toy ny ranotrambo nanafotra ahy.",
        "5": "Nangeja ahy toy ny tady ny Fasana; Ary nivelatra teo anoloako ny fandriky ny fahafatesana.",
        "6": "Tao anatin\u2019ny sarotra aho no niantso an\u2019i Jehovah; Tamin\u2019ilay Andriamanitro foana aho no niantso vonjy. Henony tao amin\u2019ny tempoliny ny feoko, Ary ren\u2019ny sofiny ny antso vonjy nataoko.",
        "7": "Dia nihozongozona sy nihetsiketsika ny tany; Nihovotrovotra ny fototry ny tendrombohitra Sady nihozongozona satria nisy nampahatezitra azy.",
        "8": "Nisy setroka niakatra avy teo am-bavorony, Ary nisy afo nandevona avy tamin\u2019ny vavany; Nisy vainafo niredareda avy taminy.",
        "9": "Natongilany ny lanitra rehefa nidina izy, Ary haizim-pito no teo ambany tongony.",
        "10": "Nitaingina kerobima izy dia nanidina. Teny ambony elatry ny anjely izy no nisidina haingana nanket\u1ef3 ambany.",
        "11": "Dia nataony nanarona azy ny haizina. Nataony nanodidina azy toy ny tranolay Ny rahona mainty sy matevina.",
        "12": "Nisy hazavana namirapiratra teo anatrehany Ka nampirotsaka havandra sy vainafo miredareda avy teny amin\u2019ny rahona.",
        "13": "Dia nandefa kotroka tany an-danitra i Jehovah; Nataon\u2019ilay Avo Indrindra izay handrenesana ny feony Niaraka tamin\u2019ny havandra sy vainafo miredareda.",
        "14": "Nandefa ny zana-tsip\u00eckany izy ka niparitaka ny fahavalony; Nandefa tselatra izy ka nataony nisahotaka ireny.",
        "15": "Lasa hita ny fanambanin\u2019ny renirano; Niharihary ny fototry ny tany satria niteny mafy azy ianao, Jehovah\u00a0\u00f4, Sady nitsoka azy tamin\u2019ny fofonain\u2019ny vavoronao.",
        "16": "Avy any amin\u2019ny avo izy no nanatsotra ny tanany; Nitazona ahy izy ary nisintona ahy avy tao anaty rano lalina.",
        "17": "Namonjy ahy tamin\u2019ny fahavalo mahery izy, Dia tamin\u2019ireo nankahala ahy, izay nahery kokoa noho izaho.",
        "18": "Nanohitra ahy izy ireny tamin\u2019ny andro nahitako loza, Nefa nanampy ahy i Jehovah.",
        "19": "Nitondra ahy nankeo amin\u2019ny toerana tsy mampidi-doza izy; Namonjy ahy izy satria nankasitraka ahy.",
        "20": "Mamaly soa ahy i Jehovah satria manao ny marina aho; Mamaly soa ahy izy satria tsy manan-tsiny aho.",
        "21": "Fa narahiko foana ny lalan\u2019i Jehovah, Ary tsy nanao ratsy aho ka hoe niala tamin\u2019ny Andriamanitro.",
        "22": "Eo anatrehako ny didim-pitsarany rehetra; Tsy mba hanao tsinontsinona ny fitsipiny aho.",
        "23": "Tsy hisy tsiny eo anatrehany aho, Sady hitandrina mba tsy hanao fahadisoana.",
        "24": "Enga anie i Jehovah hamaly soa ahy satria manao ny marina aho, Sady tsy manan-tsiny eo anatrehany!",
        "25": "Ny olona tsy mivadika no tsy ivadihanao, Ary tsy misy tsiny ianao rehefa mifandray amin\u2019ny olona tsy misy tsiny;",
        "26": "Ny olona madio no isehoanao hoe madio, Fa ny olona fetsifetsy kosa no isehoanao hoe kinga saina.",
        "27": "Mamonjy an\u2019ireo olona ambany ianao, Fa aetrinao kosa ny mpirehareha.",
        "28": "Fa ianao no mampirehitra ny jiroko, Jehovah\u00a0\u00f4, Ilay Andriamanitro manazava ny haizina misy ahy!",
        "29": "Manampy ahy ianao, dia vitako ny miady amin\u2019ny mpandroba; Noho ny herin\u2019Andriamanitra, dia vitako ny mianika manda.",
        "30": "Tonga lafatra ny lalan\u2019ilay tena Andriamanitra; Madio ny tenin\u2019i Jehovah. Ampingan\u2019izay rehetra mialoka aminy izy.",
        "31": "Fa iza no Andriamanitra ankoatra an\u2019i Jehovah? Ary iza no vatolampy ankoatra an\u2019ilay Andriamanitsika?",
        "32": "Ilay tena Andriamanitra no mampitafy hery ahy, Ary hataony izay hahalavorary ny lalako.",
        "33": "Ataony toy ny an\u2019ny serfa ny tongotro; Ampijoroany eo amin\u2019ny toerana avo aho.",
        "34": "Mampiofana ahy hiady izy; Mahavita mamoritra tsip\u00ecka varahina ny sandriko.",
        "35": "Omenao ahy ny ampinga famonjenao, Manohana ahy ny tananao ankavanana, Ary lasa misandratra aho noho ianao manetry tena.",
        "36": "Ataonao malalaka tsara ny lalana hodiaviko; Tsy hibolisatra ny tongotro.",
        "37": "Henjehiko ny fahavaloko ka ho tratrako; Tsy hiverina aho raha tsy efa ringana tanteraka izy ireny.",
        "38": "Hotorotoroiko izy ireny, ka tsy ho tafatsangana intsony; Ho lavo eo ambany tongotro izy ireny.",
        "39": "Homenao hery hoenti-miady aho; Hataonao lavo eo ambaniko ny fahavaloko.",
        "40": "Hataonao mandositra eo anatrehako ny fahavaloko, Ary haringako izay mankahala ahy.",
        "41": "Miantso vonjy izy ireny, nefa tsy misy mamonjy; Miantso an\u2019i Jehovah mihitsy aza izy ireny, nefa tsy valiany.",
        "42": "Hataoko torotoro toy ny vovoka entin\u2019ny rivotra izy ireny, Ary hariako hoatran\u2019ny fotaka eny an-dalana.",
        "43": "Hamonjy ahy amin\u2019ny fanakianana ataon\u2019ny vahoaka ianao, Ary hanendry ahy ho filohan\u2019ireo firenena. Vahoaka mbola tsy fantatro no hanompo ahy.",
        "44": "Hankat\u00f2 ahy izy ireo raha vao mandre ny momba ahy fotsiny; Hanatona ahy ny olona avy amin\u2019ny firenen-kafa sady hatahotra.",
        "45": "Tsy hanana herim-po intsony ny olona avy amin\u2019ny firenen-kafa; Hangovitra izy ireo mivoaka avy ao amin\u2019ny toerany voaro mafy.",
        "46": "Velona i Jehovah! Hoderaina anie ilay Vatolampiko! Hasandratra anie ilay Andriamanitra mpamonjy ahy!",
        "47": "Mamaly ny ratsy atao amiko ilay tena Andriamanitra; Ataony lasa manaiky ahy ireo firenena.",
        "48": "Mamonjy ahy amin\u2019ny fahavaloko tezitra\u00a0be izy; Manainga ahy ho lasa ambonin\u2019ireo manafika ahy ianao, Ary mamonjy ahy amin\u2019ny olona mahery setra.",
        "49": "Izany no mahatonga ahy hanome voninahitra anao eo amin\u2019ireo firenena, Jehovah\u00a0\u00f4, Sy hanao hira fiderana ho an\u2019ny anaranao.",
        "50": "Manao asa famonjena lehibe ho an\u2019ny mpanjaka voatendriny izy; Tiany ny voahosotra notendreny sady tsy mivadika aminy izy, Dia amin\u2019i Davida sy ny taranany mandrakizay."
    },
    "19": {
        "1": "Ny lanitra manambara ny voninahitr\u2019Andriamanitra; Ny habakabaka milaza ny asan\u2019ny tanany.",
        "2": "Miboiboika teny fiderana izy ireo isan\u2019andro, Ary mampita fahalalana isak\u2019alina.",
        "3": "Tsy miteny tsy mivolana izy ireo; Tsy re ny feony.",
        "4": "Efa nivoaka eran-tany anefa ny tenin\u2019izy ireo, Ary tonga hatrany amin\u2019ny faran\u2019ny tany misy mponina ny hafatra nentiny. Nanangana tranolay ho an\u2019ny masoandro, eny amin\u2019ny lanitra, Andriamanitra;",
        "5": "Toy ny mpampaka-bady mivoaka avy ao amin\u2019ny efitranon\u2019ny mpampakatra ny masoandro, Ary mifaly toy ny lehilahy matanjaka mihazakazaka eny amin\u2019ny lalany.",
        "6": "Mipoitra avy any amin\u2019ny faravodilanitra iray izy, Ary mihodidina mankany amin\u2019ny faravodilanitra iray; Tsy misy tsy azon\u2019ny hafanany.",
        "7": "Tonga lafatra ny lal\u00e0n\u2019i Jehovah, manome hery indray. Azo atokisana ny fampahatsiahivan\u2019i Jehovah, mampahahendry an\u2019izay tsy dia nahita fiainana.",
        "8": "Marina ny fitsipik\u2019i Jehovah, mahafaly ny fo; Madio ny didin\u2019i Jehovah, mampahiratra ny maso.",
        "9": "Madio ny fahatahorana an\u2019i Jehovah, maharitra mandrakizay. Marina ny didim-pitsaran\u2019i Jehovah, ara-drariny daholo.",
        "10": "Irina noho ny volamena ireny, Irina noho ny volamena tena tsara be dia be, Ary mamy noho ny tantely, dia ny tantely mitete avy amin\u2019ny toho-tantely.",
        "11": "Fampitandremana ho an\u2019ny mpanomponao ireny, Ary lehibe ny valisoa azon\u2019izay manaraka an\u2019ireny.",
        "12": "Iza no mahatsapa hoe nanao fahadisoana? Mamel\u00e0 ahy amin\u2019izay fahotana tsy fantatro akory.",
        "13": "Ary aza avela ho sahisahy hanao an\u2019izay tsy tokony hatao ny mpanomponao; Aza avela hanjaka ao amiko izany toe-tsaina izany. Amin\u2019izay dia tsy hanan-tsiny aho, Ary tsy ho meloka ho nanao fahotana lehibe.",
        "14": "Enga anie ny teny aloaky ny vavako sy izay saintsainiko ato am-poko Ka hahafaly anao, Jehovah\u00a0\u00f4, ry\u00a0Vatolampiko sy Mpanavotra ahy!"
    },
    "20": {
        "1": "Hamaly ny vavaka ataonao anie i Jehovah, amin\u2019ny andro fahoriana! Hiaro anao anie ny anaran\u2019ilay Andriamanitr\u2019i Jakoba!",
        "2": "Hanampy anao avy ao amin\u2019ny toerana masina anie izy, Ary hanohana anao avy ao Ziona!",
        "3": "Hotsaroany anie ny fanatitra rehetra ataonao fanomezana ho azy; Enga anie izy hankasitraka ny fanatitra dorana atolotrao! ( Sela )",
        "4": "Homeny anao anie izay irin\u2019ny fonao, Ary hataony izay hahatanteraka an\u2019izay rehetra kasainao!",
        "5": "Hihoby izahay noho ny asa famonjena ataonao; Hasandratray amin\u2019ny anaran\u2019ny Andriamanitray ny saina kely entinay. Hotanterahin\u2019i Jehovah anie izay rehetra angatahinao!",
        "6": "Fantatro tsara izao fa mamonjy ny voahosotra notendreny i Jehovah. Mamaly azy avy any amin\u2019ny lanitra masina izy, Ka mitondra famonjena lehibe ny tanany ankavanana.",
        "7": "Ny sasany mitoky amin\u2019ny kalesy fitondra miady, ary ny hafa amin\u2019ny soavaly, Fa isika kosa miantso ny anaran\u2019i Jehovah Andriamanitsika.",
        "8": "Mitolefika izy ireo dia mianjera, Fa isika kosa mitsangana ka tafajoro.",
        "9": "Jehovah\u00a0\u00f4, vonjeo ny mpanjaka! Hamaly antsika izy amin\u2019ny andro iantsoantsika vonjy aminy."
    },
    "21": {
        "1": "Jehovah\u00a0\u00f4, faly ny mpanjaka satria nasehonao fa mahery ianao; Faly er\u1ef3 izy noho ny asa famonjenao!",
        "2": "Nomenao azy izay nirin\u2019ny fony, Ary tsy nolavinao izay nangatahin\u2019ny molony. ( Sela )",
        "3": "Notsenainao izy ka nomenao fitahiana be dia\u00a0be; Nasianao satroboninahitra volamena tena tsara teo amin\u2019ny lohany.",
        "4": "Ny ho velona no nangatahiny taminao, dia nomenao azy izany; Nataonao ela velona izy, eny, velona mandrakizay mandrakizay.",
        "5": "Mahazo voninahitra\u00a0be izy noho ny asa famonjenao. Omenao haja amam-boninahitra izy.",
        "6": "Ataonao izay hahazoany fitahiana mandrakizay; Ataonao izay hahatsapany fifaliana eo anatrehanao.",
        "7": "Fa matoky an\u2019i Jehovah ny mpanjaka; Tsy hangozohozo mihitsy izy satria be\u00a0fitiavana sy tsy mivadika ilay Avo Indrindra.",
        "8": "Ho azon\u2019ny tananao ny fahavalonao rehetra; Ho azon\u2019ny tananao ankavanana ireo mankahala anao.",
        "9": "Hataonao toy ny lafaoro mirehitra izy ireny amin\u2019ny fotoana voatondro, rehefa hamely azy ireny ianao. Tezitra i Jehovah ka haringany izy ireny, ary ho levon\u2019ny afo.",
        "10": "Haringanao tsy ho et\u1ef3 an-tany ny zanany, Ary hofoananao tsy ho eo amin\u2019ny zanak\u2019olombelona ny taranany.",
        "11": "Fa nitady hanisy ratsy anao izy ireny; Manao tetika izy ireny, nefa tsy hahomby izany.",
        "12": "Fa hampandositra azy ireny ianao, Rehefa mikendry azy amin\u2019ny tsip\u00eckanao.",
        "13": "Mitsang\u00e0na, Jehovah\u00a0\u00f4, ary asehoy ny tanjakao! Hihira fiderana ho anao izahay noho ny herinao."
    },
    "22": {
        "1": "Andriamanitro\u00a0\u00f4, Andriamanitro\u00a0\u00f4, nahoana ianao no nahafoy ahy? Nahoana no lavitra ahy ianao, ka tsy mamonjy\u00a0ahy Sady tsy mihaino ny fitarainako?",
        "2": "Andriamanitro\u00a0\u00f4, miantso anao foana aho rehefa antoandro nefa tsy mamaly ianao, Ary tsy mangina mihitsy ny vavako rehefa alina.",
        "3": "Masina anefa ianao, Ary heniky ny fiderana avy amin\u2019ny Israely.",
        "4": "Ianao no nitokisan\u2019ny razambenay; Nitoky taminao izy ireo, ka namonjy azy foana ianao.",
        "5": "Ianao no nitarainany, dia voavonjy izy ireo; Natoky anao izy ireo, ka tsy diso fanantenana.",
        "6": "Kankana anefa aho fa tsy olona, Ary ataon\u2019ny olona tsinontsinona sady ambanimbanin\u2019ny vahoaka.",
        "7": "Maneso ahy izay rehetra mahita ahy; Mihomehy manaraby sy mihivingivin-doha izy ireo, ka miteny hoe:",
        "8": "\u201cEfa nankininy tamin\u2019i Jehovah ny fiainany, koa aoka Izy hanafaka azy! Aoka Izy hamonjy azy, satria tena tia azy Izy!\u201d",
        "9": "Ianao no namoaka ahy avy tao an-kibo, Sy nanao izay tsy hananako ahiahy teo an-tratran-dreniko.",
        "10": "Vao teraka aho, dia efa nankinina taminao mba hokarakarainao; Mbola tany an-kibon\u2019i Neny aho, dia efa ianao no Andriamanitro.",
        "11": "Aza mijanona lavitra ahy, fa mananontanona ny loza, Ary tsy manana olon-kafa aho mba hanampy ahy.",
        "12": "Itangoronan\u2019ny vantotr\u2019ombilahy maro be aho; Manodidina ahy ny omby matanjaka avy any Basana.",
        "13": "Misanasana vava hamely ahy izy ireo, Toy ny liona mierona mamiravira ny rembiny.",
        "14": "Araraka toy ny rano aho; Ary miala amin\u2019ny tonon-taolana ny taolako rehetra. Lasa toy ny savoka ny foko, Ka mitsonika ao anatiko lalina ao.",
        "15": "Tsy manana hery intsony aho, fa maina hoatran\u2019ny silaka vilany tanimanga; Miraikitra amin\u2019ny lanilaniko ny lelako; Entinao midina ao amin\u2019ny vovoky ny fahafatesana aho.",
        "16": "Fa itangoronan\u2019ny alika aho; Manodidina ahy toy ny andiana mpanao ratsy izy ireo, Toy ny liona manaikitra ny tanako sy ny tongotro.",
        "17": "Voaisako ny taolako rehetra. Mandinika ahy ny fahavaloko, sady mibanjina ahy.",
        "18": "Ifampizaran\u2019izy ireo ny fitafiako, Ary anaovany antsapaka ny akanjoko.",
        "19": "Fa ianao kosa Jehovah\u00a0\u00f4, aza mijanona lavitra ahy. Ianao no heriko. Ampio haingana aho.",
        "20": "Afaho tsy ho azon\u2019ny sabatra aho, Avoty tsy ho azon\u2019ny alika ny aiko sarobidy.",
        "21": "Vonjeo aho mba tsy ho lanin\u2019ny liona sy tsy ho voatrobaky ny tandroky ny ombidia; Valio aho ka vonjeo.",
        "22": "Hanambara ny anaranao amin\u2019ny rahalahiko aho; Eo anivon\u2019ny fiangonana no hiderako anao.",
        "23": "Ianareo izay matahotra an\u2019i Jehovah, mider\u00e0 Azy! Ianareo rehetra taranak\u2019i Jakoba, omeo voninahitra Izy! Ianareo rehetra taranak\u2019i Israely, atahory sy hajao Izy.",
        "24": "Fa tsy ataony tsinontsinona na hoe odiany tsy hita ny fahorian\u2019ny olona mijaly; Tsy mba mihodina tsy hijery azy Izy. Henoiny kosa ny olona mijaly rehefa miantso vonjy aminy.",
        "25": "Hidera anao eo anivon\u2019ny fiangonana lehibe aho; Hanefa ny voadiko eo anatrehan\u2019ireo matahotra azy aho.",
        "26": "Hisakafo ny mpandefitra ka ho voky; Hidera an\u2019i Jehovah ireo mitady azy. Hankafy fiainana foana anie ianareo mandrakizay!",
        "27": "Hahatsiaro an\u2019i Jehovah ny olona hatrany amin\u2019ny faran\u2019ny tany, ka hiverina aminy. Hiankohoka eo anatrehanao ny foko rehetra eo amin\u2019ireo firenena.",
        "28": "Fa an\u2019i Jehovah ny fanjakana; Izy no mitondra an\u2019ireo firenena.",
        "29": "Hisakafo sy hiankohoka eo anatrehany daholo ny mpanankarena eto an-tany; Handohalika eo anatrehany izay rehetra hidina any amin\u2019ny vovoka; Tsy misy mahavita miaro ny ainy izy ireo.",
        "30": "Hanompo azy ny taranak\u2019izy ireo; Horesahina amin\u2019ny taranaka ho\u00a0avy ny momba an\u2019i Jehovah.",
        "31": "Ho avy izy ireo ka hanambara ny fahamarinany. Holazain\u2019izy ireo amin\u2019ny vahoaka mbola tsy teraka izay nataony."
    },
    "23": {
        "1": "I Jehovah no Mpiandry ahy. Tsy ho ory na inona na inona aho.",
        "2": "Asainy mitsotsotra eny amin\u2019ny toerana feno ahi-maitso aho, Ary mitarika ahy ho eny amin\u2019ny toeram-pialan-tsasatra azon-drano tsara izy.",
        "3": "Mamelombelona ahy izy. Mitarika ahy amin\u2019ny lalan\u2019ny fahamarinana izy, noho ny anarany.",
        "4": "Na dia mamakivaky lohasaha maizim-pito aza aho, Dia tsy misy loza atahorako, Satria ianao no eo anilako. Manome toky ahy ny tsorakazonao sy ny tehinao.",
        "5": "Manomana latabatra ho ahy eo anoloan\u2019ny fahavaloko ianao. Mahatsiaro ho velombelona aho rehefa hosoranao menaka ny lohako; Feno mitafotafo ny kaopiko.",
        "6": "Ho tsara toetra amiko tokoa ianao sady ho tia ahy sy tsy hivadika amiko, mandritra ny androm-piainako. Dia hipetraka ao an-tranon\u2019i Jehovah aho, amin\u2019ny andro rehetra ahavelomako."
    },
    "24": {
        "1": "An\u2019i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy, Dia ny tany lonaka sy izay monina eo amboniny.",
        "2": "Fa naoriny teo ambonin\u2019ny ranomasina izy io, Ary nataony mafy orina teo ambonin\u2019ny renirano.",
        "3": "Iza no afaka miakatra mankany an-tendrombohitr\u2019i Jehovah? Ary iza no afaka mijoro ao amin\u2019ny toerany masina?",
        "4": "Izay tsy manan-tsiny amin\u2019izay ataon\u2019ny tanany sady madio fo, Ary tsy mianiana lainga amin\u2019ny anarako, Na mianiana mba hamitahana.",
        "5": "Handray fitahiana avy amin\u2019i Jehovah izy, Ary hanaiky azy ho marina ilay Andriamanitry ny famonjena azy.",
        "6": "Hoatr\u2019izany ny taranak\u2019izay mitady Azy, Dia ny taranak\u2019izay mitady sitraka aminao, ry\u00a0Andriamanitr\u2019i Jakoba\u00a0\u00f4! ( Sela )",
        "7": "Ry vavahady\u00a0\u00f4, ataovy avo\u00a0be ny tamponareo; Misokafa, ry varavarana efa nisy hatry ny ela, Mba hidiran\u2019ilay Mpanjaka be\u00a0voninahitra!",
        "8": "Iza izany Mpanjaka be\u00a0voninahitra izany? I Jehovah, ilay matanjaka sy mahery! I Jehovah, ilay mpiady mahery!",
        "9": "Ry vavahady\u00a0\u00f4, ataovy avo\u00a0be ny tamponareo; Misokafa, ry varavarana efa nisy hatry ny ela, Mba hidiran\u2019ilay Mpanjaka be\u00a0voninahitra!",
        "10": "Iza izany Mpanjaka be\u00a0voninahitra izany? I Jehovah Tompon\u2019ny tafika! Izy ilay Mpanjaka be\u00a0voninahitra! ( Sela )"
    },
    "25": {
        "1": "Ianao, Jehovah\u00a0\u00f4, no ianteherako! [ Beta ]",
        "2": "Andriamanitro\u00a0\u00f4, ianao no itokisako; Aza avela ho menatra aho. Aza avela ho faly amin\u2019ny fahavoazako ny fahavaloko. \u05d2 [ Gimela ]",
        "3": "Azo antoka fa tsy hisy ho menatra izay manantena anao, Fa ho menatra kosa ireo mamitaka tsy amin\u2019antony. \u05d3 [ Daleta ]",
        "4": "Ampahafantaro ahy ny lalanao, Jehovah\u00a0\u00f4! Ampianaro ahy ny lalanao. \u05d4 [ He ]",
        "5": "Ataovy izay handehanako amin\u2019ny fahamarinanao ary ampianaro aho, Fa ianao no Andriamanitra mpamonjy ahy. \u05d5 [ Vao ] Ianao no antenaiko tontolo andro. \u05d6 [ Zaina ]",
        "6": "Jehovah\u00a0\u00f4, tadidio hoe mamindra\u00a0fo ianao sady be\u00a0fitiavana sy tsy mivadika, Ary naneho an\u2019ireo toetra ireo foana ianao hatramin\u2019izay. \u05d7 [ Heta ]",
        "7": "Hadinoy ny fahotana vitako tamin\u2019izaho mbola tanora sy ny fandikan-dal\u00e0na nataoko. Tsarovy aho, noho ianao be\u00a0fitiavana sy tsy mivadika Sy noho ianao tsara toetra, Jehovah\u00a0\u00f4! \u05d8 [ Teta ]",
        "8": "Tsara sy mahitsy i Jehovah. Izany no mahatonga azy hanoro ny mpanota ny lalana tokony haleha. \u05d9 [ Y\u00f4da ]",
        "9": "Hitarika ny mpandefitra hanao ny marina izy, Ary hampianariny ny lalany ny mpandefitra. \u05db [ Kafa ]",
        "10": "Hita amin\u2019izay rehetra ataon\u2019i Jehovah fa be fitiavana izy sady tsy mivadika Amin\u2019ireo manaja ny fifanekena nataony sy manaraka ny fampahatsiahivany. \u05dc [ Lameda ]",
        "11": "Noho ny anaranao, Jehovah\u00a0\u00f4, Dia mamel\u00e0 ny fahadisoako, na dia lehibe aza izany. \u05de [ Mema ]",
        "12": "Iza no olona matahotra an\u2019i Jehovah? Hatorony azy izay lalana tokony hofidiny. \u05e0 [ Nona ]",
        "13": "Hahita soa izy, Ary ho lasa fananan\u2019ny taranany ny tany. \u05e1 [ Sameka ]",
        "14": "Izay matahotra an\u2019i Jehovah no namany akaiky, Ary ampahafantariny azy ireo ny fifanekena nataony. \u05e2 [ Aina ]",
        "15": "Mibanjina an\u2019i Jehovah foana ny masoko, Satria izy no hanafaka ny tongotro amin\u2019ny harato. \u05e4 [ Pe ]",
        "16": "Mba mitodiha at\u1ef3 amiko ka iantrao aho, Fa irery aho sady tsy misy mpiaro. \u05e6 [ Tsade ]",
        "17": "Mihamaro ny fahorian\u2019ny foko; Afaho amin\u2019ny fijaliako aho. \u05e8 [ Resa ]",
        "18": "Jereo ny fahoriako sy ny olana mahazo ahy, Ary mamel\u00e0 ny fahotako rehetra.",
        "19": "Jereo fa be dia be ny fahavaloko, Ary tsy tia maizina ahy izy ireo. \u05e9 [ Shina ]",
        "20": "Arovy ny aiko ka vonjeo aho. Aza avela ho menatra aho, fa ianao no ialofako. \u05ea [ Tao ]",
        "21": "Ho voaro anie aho satria tsy mivadika sady manao izay mahitsy. Ianao mantsy no antenaiko.",
        "22": "Andriamanitra\u00a0\u00f4, vonjeo amin\u2019ny fahoriany rehetra ny Israely."
    },
    "26": {
        "1": "Tsarao aho, Jehovah\u00a0\u00f4, fa tsy mivadika; I Jehovah no itokisako, ary tsy miovaova ny fatokisako azy.",
        "2": "Diniho aho, Jehovah\u00a0\u00f4, ka sedrao; Diovy ny eritreritro lalina indrindra sy ny foko.",
        "3": "Fa toy ny hoe eo alohako eo foana ny fitiavanao sy ny tsy fivadihanao, Ary mandeha amin\u2019ny fahamarinanao aho.",
        "4": "Tsy mifanerasera amin\u2019ny olona mamitaka aho, Ary tsy miaraka amin\u2019ireo manafina ny tena maha izy azy.",
        "5": "Halako ny andian\u2019olona mpanao ratsy, Ary tsy manaiky hifanerasera amin\u2019ny ratsy fanahy aho.",
        "6": "Hanasa tanana aho fa tsy manan-tsiny, Ary handeha manodidina ny alitaranao aho, Jehovah\u00a0\u00f4,",
        "7": "Mba handrenesana ny fisaorako anao Sy hanambarako ny zavatra mahatalanjona rehetra nataonao.",
        "8": "Jehovah\u00a0\u00f4, tiako ny trano ipetrahanao, Dia ilay toerana misy ny voninahitrao.",
        "9": "Aza aringana miaraka amin\u2019ny mpanota aho, Ary aza aripaka miaraka amin\u2019ny olona mahery setra,",
        "10": "Izay mampiasa ny tanany mba hanaovana zavatra mahamenatra, Sady feno kolikoly ny tanany ankavanana.",
        "11": "Fa izaho kosa tsy mba hivadika mihitsy. Afaho aho, ka iantrao.",
        "12": "Mijoro eo amin\u2019ny toerana tsy mikitoantoana ny tongotro; Eo anivon\u2019ny fiangonana lehibe no hiderako an\u2019i Jehovah."
    },
    "27": {
        "1": "I Jehovah no mpanazava sy mpamonjy ahy, Koa iza no hatahorako? I Jehovah no manda miaro ny aiko, Koa iza no haharaiki-tahotra ahy?",
        "2": "Rehefa nanafika ahy mba hihinana ny nofoko ny mpanao ratsy, Izay fahavaloko sy mpanohitra ahy, dia izy ireo ihany no tafintohina ka lavo.",
        "3": "Na misy tafika manangana toby hamelezana ahy aza, Dia tsy mba hatahotra ny foko. Na misy miady amiko aza, Dia mbola hatoky an\u2019Andriamanitra ihany aho.",
        "4": "Zavatra iray monja no angatahiko amin\u2019i Jehovah, \u2014Izay ihany no hotadiaviko\u2014 Dia ny hipetraka ao an-tranon\u2019i Jehovah mandritra ny androm-piainako. Amin\u2019izay aho dia handinika ny hatsaran\u2019i Jehovah Ary hahafinaritra ahy ny hijery ny tempoliny.",
        "5": "Fa hanafina ahy ao amin\u2019ny trano fialofany izy amin\u2019ny andro hiavian\u2019ny loza, Ary hanafina ahy ao amin\u2019ny toerana miafina, ao amin\u2019ny tranolainy. Eny ambony vatolampy avo\u00a0be no hametrahany ahy.",
        "6": "Misandratra ambonin\u2019ireo fahavaloko manodidina ahy aho izao; Hihorakoraka sady ho faly aho rehefa manao sorona ao amin\u2019ny tranolain\u2019Andriamanitra; Hihira fiderana ho an\u2019i Jehovah aho.",
        "7": "Jehovah\u00a0\u00f4, henoy aho rehefa mitaraina; Iantrao aho ka valio.",
        "8": "Tsaroako ato am-poko ilay didinao hoe: \u201cMitadiava ahy ianareo.\u201d Ianao tokoa no hotadiaviko, Jehovah\u00a0\u00f4!",
        "9": "Aza mihodina tsy hijery ahy. Aza roahina ao anatin\u2019ny hatezerana ny mpanomponao. Ianao no mpanampy ahy; Aza mahafoy na mandao ahy, ry Andriamanitra mpamonjy ahy!",
        "10": "Na mahafoy ahy aza ny raiko sy ny reniko, I Jehovah kosa handray ahy.",
        "11": "Ampianaro ny lalanao aho, Jehovah\u00a0\u00f4, Ary tariho amin\u2019ny lala-mahitsy aho mba tsy ho azon\u2019ny fahavaloko.",
        "12": "Aza atolotra eo an-tanan\u2019ny fahavaloko aho, Fa misy vavolombelona mandainga mitsangana hiampanga ahy, Ary mandrahona ny hamely ahy izy ireo.",
        "13": "Taiza no ho niafarako raha tsy nino aho Hoe hahita ny hatsaran-toetran\u2019i Jehovah eo amin\u2019ny tanin\u2019ny velona?",
        "14": "Aoka ianao hanantena an\u2019i Jehovah; Man\u00e0na herim-po ary hatanjaho ny fonao. Eny, aoka ianao hanantena an\u2019i Jehovah."
    },
    "28": {
        "1": "Ianao foana no antsoiko, Jehovah\u00a0\u00f4, ry\u00a0Vatolampiko! Aza manampin-tsofina tsy hihaino ahy. Raha mangina tsy mamaly ahy ianao, Dia ho lasa tahaka an\u2019ireo midina any an-davaka aho.",
        "2": "Henoy ny fitalahoako rehefa miantso vonjy aminao aho, Ka mivavaka manandrify ny efitra anatiny indrindra amin\u2019ny toeranao masina.",
        "3": "Aza taritaritina miaraka amin\u2019ny ratsy fanahy aho, miaraka amin\u2019ireo zatra manao ratsy, Dia ireo miresaka fihavanana amin\u2019ny namany nefa ratsy ny ao am-pony.",
        "4": "Valio araka izay nataony izy ireny, Araka ny ratsy fanaony. Valio araka ny asan\u2019ny tanany izy ireny, Araka izay nataony.",
        "5": "Fa tsy raharahian\u2019izy ireny izay ataon\u2019i Jehovah Sy ny asan\u2019ny tanany. Hopotehin\u2019Andriamanitra ny fiainan\u2019izy ireny ary hataony tsy tafarina intsony izy ireny.",
        "6": "Hoderaina anie i Jehovah Fa nohenoiny ny fitalahoako fanampiana!",
        "7": "I Jehovah no heriko sy ampingako; Izy no itokian\u2019ny foko. Nanampy ahy izy, ka faly ny foko. Hidera azy amin\u2019ny hirako \u00e0ry aho.",
        "8": "I Jehovah no herin\u2019ny vahoakany; Izy no manda fiarovana, izay mitondra famonjena lehibe ho an\u2019ny voahosotra notendreny.",
        "9": "Vonjeo ny vahoakanao, ary tahio ny lovanao. Aoka ianao ho mpiandry azy ireo ka hitondra azy eny an-tsandrinao mandrakizay."
    },
    "29": {
        "1": "Omeo an\u2019i Jehovah izay tokony homena azy, ry zanaky ny mahery! Omeo an\u2019i Jehovah izay tokony homena azy, satria be\u00a0voninahitra sady matanjaka izy.",
        "2": "Omeo voninahitra i Jehovah fa mendrika an\u2019izany ny anarany. Manaova fitafiana masina dia miankohofa eo anatrehan\u2019i Jehovah.",
        "3": "Heno eny ambonin\u2019ny rano ny feon\u2019i Jehovah; Mikotrokotroka ny feon\u2019ilay Andriamanitra be\u00a0voninahitra. Eny ambonin\u2019ny rano\u00a0be i Jehovah.",
        "4": "Mahery ny feon\u2019i Jehovah; Be voninahitra ny feon\u2019i Jehovah.",
        "5": "Manapatapaka sedera ny feon\u2019i Jehovah; Ataon\u2019i Jehovah potipotika ny sederan\u2019i Lib\u00e0na.",
        "6": "Ataony mitsambikimbikina toy ny zanak\u2019omby i Lib\u00e0na, Ary toy ny zanak\u2019ombidia i Siriona.",
        "7": "Mampisy tselatra ny feon\u2019i Jehovah;",
        "8": "Mahatonga ny tany efitra ho tora-kovitra ny feon\u2019i Jehovah; Ataon\u2019i Jehovah tora-kovitra ny tany efitr\u2019i Kadesy.",
        "9": "Mahatonga ny serfa ho tora-kovitra sy ho teraka ny feon\u2019i Jehovah, Sady mampihintsan-dravina an\u2019ireo ala. Ary izao no lazain\u2019izay rehetra ao amin\u2019ny tempoliny: \u201cVoninahitra!\u201d",
        "10": "Mipetraka eo amin\u2019ny seza fiandrianany eo ambonin\u2019ny rano\u00a0be i Jehovah; Mipetraka eo amin\u2019ny seza fiandrianany i Jehovah; Mpanjaka mandrakizay izy.",
        "11": "Hanome hery ny vahoakany i Jehovah. Hitahy ny vahoakany i Jehovah ka hanome azy fiadanana."
    },
    "30": {
        "1": "Hanandratra anao aho, Jehovah\u00a0\u00f4, fa nisintona ahy hiakatra ianao; Tsy navelanao hifaly amin\u2019ny fahavoazako ny fahavaloko.",
        "2": "Jehovah Andriamanitro\u00a0\u00f4, niantso vonjy taminao aho ka nositraninao.",
        "3": "Jehovah\u00a0\u00f4, nosintoninao niakatra avy tany amin\u2019ny Fasana aho. Tsy navelanao ho faty aho; tsy navelanao hilentika tany anaty lavaka aho.",
        "4": "Manaova hira fiderana ho an\u2019i Jehovah, ry\u00a0olona tsy mivadika aminy! Isaory ny anarany masina;",
        "5": "Vetivety ihany mantsy izy no tezitra, Fa mandritra ny androm-piainana kosa izy no mankasitraka. Mety ho tonga ny fitomaniana amin\u2019ny hariva, fa misy fihobiana kosa rehefa maraina.",
        "6": "Hoy aho tamin\u2019ny mbola nilamina ny fiainako: \u201cTsy ho azo hozongozonina mihitsy aho.\u201d",
        "7": "Jehovah\u00a0\u00f4, nataonao mafy orina toy ny tendrombohitra aho, tamin\u2019izaho mbola nankasitrahanao. Rehefa nihodina tsy nijery ahy anefa ianao, dia nihorohoro aho.",
        "8": "Ianao foana no nantsoiko, Jehovah\u00a0\u00f4! I Jehovah foana no nitalahoako famindram-po.",
        "9": "Inona moa no soa azo raha maty aho ka midina any an-davaka? Ny vovoka angaha hidera anao, na hilaza momba ny tsy fivadihanao?",
        "10": "Mihainoa, Jehovah\u00a0\u00f4, ary iantrao aho. Jehovah\u00a0\u00f4, ampio aho.",
        "11": "Novanao ho fandihizana ny fisaonako; Nesorinao ny akanjo gony nanaovako, dia nampitafianao fifaliana aho,",
        "12": "Mba hahafahako hihira fiderana ho anao, fa tsy hangina fotsiny. Jehovah Andriamanitro\u00a0\u00f4, hidera anao mandrakizay aho."
    },
    "31": {
        "1": "Ianao no ialofako, Jehovah\u00a0\u00f4! Enga anie aho tsy ho menatra mihitsy! Vonjeo aho satria manao ny rariny ianao.",
        "2": "Aoka ianao hanongilan-tsofina hihaino ahy. Tongava haingana hanafaka ahy. Aoka ianao ho fiarovana mafy ho ahy eny an-tendrombohitra, Ho toerana voaro mafy mba hahavoavonjy ahy.",
        "3": "Fa ianao no harambatoko sy manda fiarovana ho ahy; Hitari-dalana sy hitondra ahy ianao, noho ny anaranao.",
        "4": "Hafahanao avy ao anaty harato namandrihana ahy an-tsokosoko aho, Fa ianao no fiarovana mafy ho ahy.",
        "5": "Ankiniko aminao ny aiko. Nanavotra ahy ianao, ry\u00a0Jehovah Andriamanitry ny fahamarinana \u00f4!",
        "6": "Halako ireo mivavaka amin\u2019ny sampy tsy misy dikany sy tsy misy ilana azy, Fa izaho kosa hitoky amin\u2019i Jehovah.",
        "7": "Ho faly be aho noho ianao be\u00a0fitiavana sy tsy mivadika, Satria hitanao ny fijaliako; Fantatrao ny fahoriana mafy manjo ahy.",
        "8": "Tsy nanolotra ahy teo an-tanan\u2019ny fahavalo ianao, Fa mampijoro ahy eo amin\u2019ny toerana tsy mampidi-doza.",
        "9": "Jehovah\u00a0\u00f4, iantrao aho fa mijaly. Reraky ny fahoriana ny masoko sy ny vatako manontolo.",
        "10": "Lany tamin\u2019ny alahelo ny fiainako, Ary lany tamin\u2019ny fitarainana ny taona iainako. Mihena ny heriko noho ny fahadisoako; Mihamalemy ny taolako.",
        "11": "Manao tsinontsinona ahy daholo ny fahavaloko, Indrindra fa ny mpiara-monina amiko. Ary atahoran\u2019ny olom-pantatro aho; Andosiran\u2019izy ireo aho rehefa hitany eny ivelany eny.",
        "12": "Tsy ao am-pon\u2019izy ireo intsony aho sady efa hadinony, toy ny hoe efa maty; Hoatran\u2019ny vilany vaky aho.",
        "13": "Maheno fanaratsiana etsy sy eroa aho; Manjaka hatraiza hatraiza ny horohoro. Rehefa mivondrona hanohitra ahy izy ireo, Dia mitetika ny hanapitra ny aiko.",
        "14": "Fa izaho kosa matoky anao, Jehovah\u00a0\u00f4! Hoy aho: \u201cIanao no Andriamanitro.\u201d",
        "15": "Eo an-tananao ny aiko. Vonjeo aho tsy ho azon\u2019ny fahavaloko sy ny mpanenjika ahy.",
        "16": "Aoka ianao ho miramirana amin\u2019ny mpanomponao. Vonjeo aho satria be\u00a0fitiavana sy tsy mivadika ianao.",
        "17": "Jehovah\u00a0\u00f4, enga anie tsy ho menatra aho rehefa miantso anao! Enga anie ny ratsy fanahy hatao afa-baraka, Ary hatao tsy mahateny intsony ao amin\u2019ny Fasana!",
        "18": "Aoka tsy hahateny ny molotra mandainga, Dia ny molotra miteny an\u2019avona hanohitra ny olo-marina, ka mirehareha sy manambany azy.",
        "19": "Lehibe tokoa ny hatsaran-toetranao! Tehirizinao ho an\u2019ireo matahotra anao izany, Sady asehonao amin\u2019ireo mialoka aminao, eo anatrehan\u2019ny olona rehetra.",
        "20": "Hafeninao ao amin\u2019ny toerana miafina eo anatrehanao izy ireo, Mba tsy ho voan\u2019ny teti-dratsy ataon\u2019ny olona; Hanafina azy ireo ao amin\u2019ny trano fialofanao ianao, Mba tsy hotafihin\u2019ny olona ratsy saina izy ireo.",
        "21": "Hoderaina anie i Jehovah, Fa nasehony tamin\u2019ny fomba miavaka hoe tia ahy sy tsy nivadika tamiko izy, tao amin\u2019ny tan\u00e0na natao fahirano.",
        "22": "Izaho kosa natahotra\u00a0be sady nikoropaka ka niteny hoe: \u201cHo ringana tsy ho eo anatrehanao aho.\u201d Renao anefa ny fitalahoako rehefa niantso vonjy taminao aho.",
        "23": "Aoka ho tia an\u2019i Jehovah ianareo rehetra tsy mivadika aminy! Arovan\u2019i Jehovah ny olona mendri-pitokisana, Fa saziny mafy dia mafy kosa izay mirehareha.",
        "24": "Man\u00e0na herim-po ary enga anie hatanjaka ny fonareo, Dia ianareo rehetra izay miandry an\u2019i Jehovah."
    },
    "32": {
        "1": "Sambatra izay voavela ny helony ary voasarona ny fahotany.",
        "2": "Sambatra ny olona izay tsy lazain\u2019i Jehovah hoe meloka, Dia ny olona tsy mieritreritra ny hamitaka.",
        "3": "Rehefa tsy nety niteny aho, dia nihalany ny heriko satria nitaraindraina tontolo andro aho.",
        "4": "Fa navesatra tamiko ny tananao, na andro na alina. Ritra ny heriko, toy ny rano azon\u2019ny hafanana migaingaina. ( Sela )",
        "5": "Niaiky ny fahotako teo anatrehanao aho tamin\u2019ny farany; Tsy mba nosarontsaronako ny fahadisoako. Hoy aho: \u201cHiaiky ny heloko eo anatrehan\u2019i Jehovah aho.\u201d Dia namela ny fahadisoako sy ny fahotako ianao. ( Sela )",
        "6": "Izany no mahatonga an\u2019izay rehetra tsy mivadika hivavaka aminao, Dieny mbola hita ianao. Amin\u2019izay dia tsy hahatratra azy na dia ny tondra-drano aza.",
        "7": "Toeram-piafenana ho ahy ianao; Hiaro ahy tsy hijaly ianao. Hataonao manodidina ahy ny horakora-pifalian\u2019ireo nafahanao. ( Sela )",
        "8": "\u201cHataoko izay hahatonga anao ho lalin-tsaina, ary hatoroko anao ny lalana tokony halehanao. Hanoro hevitra anao aho ary hitsinjo anao ny masoko.",
        "9": "Aza manao hoatran\u2019ny soavaly na ny ramole tsisy saina. Tsy maintsy tazonina amin\u2019ny lamboridy na tady izy mba tsy hitrifana, Amin\u2019izay izy vao hanatona anao.\u201d",
        "10": "Be ny fijalian\u2019ny ratsy fanahy; Fa manodidina an\u2019izay matoky an\u2019i Jehovah kosa ny fitiavany sy ny tsy fivadihany.",
        "11": "Mifalia amin\u2019i Jehovah ianareo olo-marina, ary miravoravoa; Mihobia ianareo rehetra mahitsy\u00a0fo."
    },
    "33": {
        "1": "Mihobia ianareo olo-marina, noho ny zavatra nataon\u2019i Jehovah. Mety raha midera azy ny olona manao izay mahitsy.",
        "2": "Misaora an\u2019i Jehovah amin\u2019ny harpa; Manaova hira fiderana ho azy amin\u2019ny zavamaneno misy tadiny folo.",
        "3": "Mihir\u00e0 hira vaovao ho azy; Tendreo tsara ny zavamaneno misy tadiny, ary mihobia.",
        "4": "Fa marina ny tenin\u2019i Jehovah, Ary mendri-pitokisana izy amin\u2019izay rehetra ataony.",
        "5": "Tia rariny sy hitsiny izy. Manenika ny tany ny fitiavan\u2019i Jehovah.",
        "6": "Ny tenin\u2019i Jehovah no nampisy ny lanitra, Ary ny fofonain\u2019ny vavany no nampisy ny zava-drehetra eny.",
        "7": "Angoniny ny rano ao amin\u2019ny ranomasina, ka toy ny hoe misy tohodrano; Ataony ao anaty trano fitehirizana ny rano manonja\u00a0be.",
        "8": "Aoka ny tany manontolo hatahotra an\u2019i Jehovah. Aoka ny mponina eo amin\u2019ny tany lonaka hanaja azy.",
        "9": "Fa niteny izy, dia nisy izany; Namoaka didy izy, dia lasa mafy orina izany.",
        "10": "Ataon\u2019i Jehovah tsy mahomby ny tetik\u2019ireo firenena; Ataony tsy tanteraka ny fikasan\u2019ny vahoaka.",
        "11": "Ny fikasan\u2019i Jehovah kosa maharitra mandrakizay; Tsy miova ny hevitra ao am-pony, na dia hatramin\u2019ny taranaka fara aman-dimby aza.",
        "12": "Sambatra ny firenena manana an\u2019i Jehovah ho Andriamaniny, Dia ny vahoaka nofidiny ho fananany.",
        "13": "Mitazana avy any an-danitra i Jehovah; Hitany daholo ny zanak\u2019olombelona.",
        "14": "Avy any amin\u2019ny toerana onenany\u00a0izy No mandinika an\u2019ireo mponina eto an-tany.",
        "15": "Izy no namorona ny fon\u2019izy rehetra; Dinihiny daholo izay ataon\u2019izy ireo.",
        "16": "Tsy misy mpanjaka voavonjin\u2019ny tafika lehibe ananany; Ny lehilahy matanjaka tsy voavonjin\u2019ny hery lehibe ananany.",
        "17": "Tsy azo antenaina hahazoana famonjena ny soavaly, Sady tsy azo antoka hoe hahafahana hitsoaka na dia matanjaka be aza.",
        "18": "Ny mason\u2019i Jehovah mitsinjo an\u2019izay matahotra azy, Dia ireo miandry ny hanehoany fitiavana sy tsy fivadihana,",
        "19": "Mba hamonjena azy ireo tsy ho faty, Sy hitsimbinana ny ainy mandritra ny mosary.",
        "20": "Miandry an\u2019i Jehovah isika. Izy no mpanampy antsika sy ampingantsika.",
        "21": "Faly ny fontsika noho ny zavatra ataony, Satria matoky ny anarany masina isika.",
        "22": "Enga anie ianao ho tia anay sy tsy hivadika aminay, Jehovah\u00a0\u00f4, Fa miandry anao foana izahay!"
    },
    "34": {
        "1": "Hidera an\u2019i Jehovah foana aho; Ho eo am-bavako foana ny fiderana azy. \u05d1 [ Beta ]",
        "2": "I Jehovah no ho reharehako; Handre an\u2019izany ny mpandefitra ka ho faly. \u05d2 [ Gimela ]",
        "3": "Andao hiara-mankalaza an\u2019i Jehovah amiko; Andao isika hiara-manandratra ny anarany. \u05d3 [ Daleta ]",
        "4": "Nanontany an\u2019i Jehovah aho, dia namaly ahy izy. Nanafaka ahy tamin\u2019ny tahotro rehetra izy. \u05d4 [ He ]",
        "5": "Miramirana izay mitodika any aminy; Tsy ho menatra izy ireo. \u05d6 [ Zaina ]",
        "6": "Niantso ity olo-mahantra ity, dia nohenoin\u2019i Jehovah. Novonjeny tamin\u2019ny fahoriany rehetra izy. \u05d7 [ Heta ]",
        "7": "Ny anjelin\u2019i Jehovah mitoby manodidina an\u2019izay rehetra matahotra Azy, Ka mamonjy azy ireo. \u05d8 [ Teta ]",
        "8": "Andramo dia ho hitanao fa tsara i Jehovah; Sambatra ny olona mialoka aminy. \u05d9 [ Y\u00f4da ]",
        "9": "Matahora an\u2019i Jehovah, ianareo olony masina rehetra, Fa tsy ory na inona na inona izay matahotra azy. \u05db [ Kafa ]",
        "10": "Na ny liona tanora matanjaka aza mety ho noana ihany, Fa izay mitady an\u2019i Jehovah kosa tsy mba ho ory zava-tsoa. \u05dc [ Lameda ]",
        "11": "Avia ianareo, ry\u00a0zanako! Henoy aho; Hampianariko hatahotra an\u2019i Jehovah ianareo. \u05de [ Mema ]",
        "12": "Iza aminareo no mankafy fiainana, Ka te ho sambatra sy ho ela velona? \u05e0 [ Nona ]",
        "13": "Tandremo \u00e0ry ny lelanao mba tsy hilaza zava-dratsy, Ary ny molotrao mba tsy hiteny fitaka. \u05e1 [ Sameka ]",
        "14": "Mial\u00e0 amin\u2019ny ratsy ka manaova ny tsara; Mitadiava fihavanana ka tandrovy izany. \u05e2 [ Aina ]",
        "15": "Ny mason\u2019i Jehovah mitsinjo ny olo-marina, Ary ny sofiny mihaino ny antso vonjy ataon\u2019izy ireo. \u05e4 [ Pe ]",
        "16": "Manohitra an\u2019izay manao ratsy kosa i Jehovah, Mba ho voafafa tsy hisy eto an-tany ny fahatsiarovana azy rehetra. \u05e6 [ Tsade ]",
        "17": "Nitaraina ny olo-marina, dia nihaino i Jehovah; Nafahany tamin\u2019ny fahoriany rehetra izy ireo. \u05e7 [ K\u00f4fa ]",
        "18": "Akaiky an\u2019izay torotoro fo i Jehovah, Ary mamonjy an\u2019izay kivy. \u05e8 [ Resa ]",
        "19": "Maro ny zava-tsarotra atrehin\u2019ny olo-marina, Nefa manafaka azy amin\u2019izany rehetra izany i Jehovah. \u05e9 [ Shina ]",
        "20": "Arovany daholo ny taolany, Ka tsy misy tapaka ireny na iray aza. \u05ea [ Tao ]",
        "21": "Ho fatin\u2019ny loza ny ratsy fanahy; Hambara ho meloka izay mankahala ny olo-marina.",
        "22": "Manavotra ny ain\u2019ny mpanompony i Jehovah; Tsy hisy hambara ho meloka izay mialoka aminy."
    },
    "35": {
        "1": "Jehovah\u00a0\u00f4, arovy amin\u2019ireo manohitra ahy aho; Miadia amin\u2019ireo miady amiko.",
        "2": "Raiso ny ampinga kelinao sy ny ampinga lehibe, Ka mitsang\u00e0na hiaro ahy.",
        "3": "Ingao ny lefonao sy ny famaky fitondranao miady, dia asio ny mpanenjika ahy. Ilazao aho hoe: \u201cIzaho no mpamonjy anao!\u201d",
        "4": "Enga anie ho menatra sy haetry ireo mifofo ny aiko! Enga anie hiverin-dalana sy ho afa-baraka ireo mitetika ny hamotika ahy!",
        "5": "Ho lasa hoatran\u2019ny akofa entin\u2019ny rivotra anie izy ireo! Handroaka azy ireo anie ny anjelin\u2019i Jehovah!",
        "6": "Ho maizina sy halama anie ny lalany Rehefa manenjika azy ny anjelin\u2019i Jehovah!",
        "7": "Fa nanafina harato hamandrihana ahy tsy amin\u2019antony izy ireo; Nihady lavaka izy ireo mba hisamborana ahy tsy amin\u2019antony.",
        "8": "Enga anie hisy loza hanjo azy tampoka! Enga anie ka izy ihany no ho voafandrik\u2019ilay harato nafeniny! Enga anie izy ho latsaka ao ka ho ringana!",
        "9": "Fa izaho kosa hifaly noho ny zavatra ataon\u2019i Jehovah; Ho ravoravo aho noho ny asa famonjeny.",
        "10": "Hilaza ny taolako rehetra hoe: \u201cJehovah\u00a0\u00f4, iza no hoatr\u2019anao? Vonjenao ny tsy misy mpiaro mba tsy ho azon\u2019ny mahery noho izy; Vonjenao ny tsy misy mpiaro sy ny mahantra mba tsy ho azon\u2019ireo mandroba azy.\u201d",
        "11": "Misy vavolombelona ratsy saina tonga hiampanga ahy, Ka manontany zavatra tsy fantatro.",
        "12": "Mamaly ratsy ny soa nataoko izy ireo, Ka hoatran\u2019ny hoe nidonam-pahoriana aho.",
        "13": "Rehefa narary anefa izy ireo, dia niakanjo gony aho; Nampijaly tena aho ka nifady hanina. Ary rehefa tsy nivaly ny vavaka nataoko,",
        "14": "Dia toy ireny nisaona namana na rahalahy ireny ny fandehako; Nalahelo be aho ka nitanondrika, toy ny olona misaona an-dreniny.",
        "15": "Rehefa tafintohina anefa aho, dia nifaly sy nivondrona izy ireo; Nivondrona izy ireo ka niafina mba hamely ahy tampoka; Namiravira ahy izy ireo, ary tsy nety nangina.",
        "16": "Maneso sy manambanimbany ahy ireo tsy matahotra an\u2019Andriamanitra; Mihidy vazana izy ireo satria tezitra amiko.",
        "17": "Jehovah\u00a0\u00f4, mandra-pahoviana ianao no hitazam-potsiny? Vonjeo amin\u2019ny fanafihan\u2019izy ireo aho, Mba tsy ho azon\u2019ny liona tanora ny aiko sarobidy.",
        "18": "Dia hisaotra anao eo anivon\u2019ny fiangonana lehibe aho; Hidera anao eo anivon\u2019ny vahoaka maro\u00a0be aho.",
        "19": "Aza avela ho faly amin\u2019ny fahavoazako ireo manohitra ahy tsy amin\u2019antony; Aza avela hifanao pimaso ireo ratsy saina mankahala ahy tsy amin\u2019antony.",
        "20": "Tsy milaza teny mampihavana mantsy izy ireo, Fa manao tetika mamitaka mba hamelezana an\u2019ireo tia fihavanana eto an-tany.",
        "21": "Sokafan\u2019izy ireo be ny vavany mba hiampangana ahy, Ka hoy izy ireo: \u201cTsara ho azy izay! Ny masonay mihitsy no nahita.\u201d",
        "22": "Hitanao izany Jehovah\u00a0\u00f4, ka aza mangina fotsiny. Jehovah\u00a0\u00f4, aza mijanona lavitra ahy.",
        "23": "Mifohaza ka miarena mba hiaro ahy; Jehovah Andriamanitro\u00a0\u00f4, arovy aho amin\u2019ilay adiko eny amin\u2019ny fitsarana.",
        "24": "Tsarao araka izay hitanao fa rariny aho, Jehovah Andriamanitro\u00a0\u00f4! Aza avela ho faly amin\u2019ny fahavoazako izy ireo.",
        "25": "Enga anie izy ireo tsy hieritreritra mihitsy hoe: \u201cTsara ho azy izay! Izay mihitsy no efa nandrasanay.\u201d Enga anie izy ireo tsy hilaza mihitsy hoe: \u201cNataonay teli-moka izy.\u201d",
        "26": "Aoka ho menatra sy ho afa-baraka daholo izy ireo, Dia ireo faly amin\u2019ny fahavoazako. Aoka hitafy henatra sy fahafaham-baraka ireo manambony tena ka manambanimbany ahy.",
        "27": "Aoka kosa hihoby ireo faly mahita ahy manao ny marina; Enga anie izy ireo hilaza foana hoe: \u201cHankalazaina anie i Jehovah, izay faly er\u1ef3 rehefa miadana ny mpanompony!\u201d",
        "28": "Dia hitantara ny fahamarinanao ny lelako, Sady hidera anao tontolo andro."
    },
    "36": {
        "1": "Ny fandikan-dal\u00e0na no mandrisika ny fon\u2019ny ratsy fanahy; Tsy hitany izay antony tokony hatahorana an\u2019Andriamanitra.",
        "2": "Fa mandoka tena loatra izy, Dia tsy tsapany ny fahadisoany, ka tsy ankahalainy.",
        "3": "Teny mandratra sy mamitaka no lazain\u2019ny vavany; Tsy lalin-tsaina izy ka tsy mahay manao ny tsara.",
        "4": "Mitetika ny hanao ratsy izy, na dia eo am-pandrianany aza. Lalan-diso no arahiny; Ny ratsy tsy mba laviny.",
        "5": "Jehovah\u00a0\u00f4, tonga hatrany an-danitra ny fitiavanao, Ary tonga hatreny amin\u2019ny rahona ny tsy fivadihanao.",
        "6": "Toy ny tendrombohitra tsara tarehy ny fahamarinanao; Toy ny rano lalina midadasika ny didim-pitsaranao. Samy tsimbininao na ny olona na ny biby, Jehovah\u00a0\u00f4!",
        "7": "Sarobidy tokoa ny hoe be\u00a0fitiavana sy tsy mivadika ianao, Andriamanitra\u00a0\u00f4! Eo ambany aloky ny elatrao no ialofan\u2019ny zanak\u2019olombelona.",
        "8": "Manaram-po amin\u2019ireo zavatra tsara be dia be ao an-tranonao izy ireo, Ary omenao zavatra mahafinaritra maro\u00a0be, ka toy ny hoe ataonao migoka rano avy amin\u2019ny renirano.",
        "9": "Ianao no loharanon\u2019aina; Ny hazavana avy aminao no ahitanay hazavana.",
        "10": "Asehoy foana amin\u2019ireo mahalala anao fa be\u00a0fitiavana sy tsy mivadika ianao, Ary amin\u2019ireo mahitsy fo fa manao ny marina ianao.",
        "11": "Aza avela hanosihosy ahy ny tongotry ny mpirehareha, Na handroaka ahy ny tanan\u2019ny ratsy fanahy.",
        "12": "Ireo fa lavo ny mpanao ratsy; Nisy namely izy ireo ka tsy tafarina intsony."
    },
    "37": {
        "1": "Aza sosotra amin\u2019ny ataon\u2019ny mpanao ratsy, Na mitsiriritra an\u2019izay manao ny tsy marina.",
        "2": "Ho vetivety dia maina toy ny ahitra izy ireo, Ary halazo toy ny ahi-maitso. \u05d1 [ Beta ]",
        "3": "Matokia an\u2019i Jehovah ka manaova ny tsara; Aoka ianao honina amin\u2019ny tany sy ho mendri-pitokisana amin\u2019izay ataonao.",
        "4": "Aoka ianao ho finaritra tanteraka amin\u2019i Jehovah, Dia homeny anao izay irin\u2019ny fonao. \u05d2 [ Gimela ]",
        "5": "Ankino amin\u2019i Jehovah ny lalanao; Miantehera aminy, dia hanampy anao izy.",
        "6": "Hataony miharihary toy ny hazavana vao maraina ny fahamarinanao, Ary toy ny masoandro amin\u2019ny mitataovovonana ny fitiavanao ny rariny. \u05d3 [ Daleta ]",
        "7": "Aoka ianao hangina eo anatrehan\u2019i Jehovah, Ka hanam-paharetana hiandry azy. Aza sorena amin\u2019ny olona Mahavita manatanteraka ny tetika ataony. \u05d4 [ He ]",
        "8": "Ialao ny hatezerana ary atsaharo ny fahavinirana; Aza tezitra ary aza manaiky hanao ratsy.",
        "9": "Fa horinganina ny mpanao ratsy, Ary izay manantena an\u2019i Jehovah kosa no handova ny tany. \u05d5 [ Vao ]",
        "10": "Kely sisa dia tsy hisy intsony ny ratsy fanahy; Hijery an\u2019izay nisy azy ianao, Nefa tsy ho eo intsony izy.",
        "11": "Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany, Ka ho faly be mihitsy satria tena hiadana. \u05d6 [ Zaina ]",
        "12": "Manao tetika hamelezana ny olo-marina ny ratsy fanahy; Mihidy vazana aminy izy.",
        "13": "Hihomehy azy anefa i Jehovah, Satria fantany fa ho avy ny androny. \u05d7 [ Heta ]",
        "14": "Manatsoaka ny sabany ny ratsy fanahy sady manomana ny tsip\u00eckany, Mba handavoana an\u2019izay ampahorina sy ny mahantra, Ary hamonoana an\u2019ireo manao izay mahitsy.",
        "15": "Hitsatoka amin\u2019ny fony ihany anefa ny sabany; Ho tapaka ny tsip\u00eckany. \u05d8 [ Teta ]",
        "16": "Aleo ny kely ananan\u2019ny olona iray manao ny marina, Toy izay ny be ananan\u2019ny ratsy fanahy maro.",
        "17": "Ho tapaka mantsy ny sandrin\u2019ny ratsy fanahy, Fa i Jehovah kosa hanampy ny olo-marina. \u05d9 [ Y\u00f4da ]",
        "18": "Fantatr\u2019i Jehovah izay manjo ny olona tsy misy tsiny, Ary haharitra mandrakizay ny lovan\u2019izy ireo.",
        "19": "Tsy ho menatra izy ireo amin\u2019ny fotoam-pahoriana; Hanana sakafo be dia\u00a0be izy ireo amin\u2019ny fotoanan\u2019ny mosary. \u05db [ Kafa ]",
        "20": "Ho ringana kosa ny ratsy fanahy; Ho foana tahaka ny kijana maitso\u00a0be ny fahavalon\u2019i Jehovah; Tsy ho hita intsony toy ny setroka izy ireny. \u05dc [ Lameda ]",
        "21": "Mindrana ny ratsy fanahy, nefa tsy mamerina, Fa ny olo-marina kosa malala-tanana sy tia manome.",
        "22": "Izay tahin\u2019Andriamanitra no handova ny tany, Fa izay ozoniny kosa ho ringana. \u05de [ Mema ]",
        "23": "Mitarika ny dian\u2019ny olona i Jehovah, Rehefa mahafaly azy izay ataon\u2019ilay olona.",
        "24": "Na dia solafaka aza izy dia tsy hidaraboka, Fa i Jehovah no mitantana azy. \u05e0 [ Nona ]",
        "25": "Efa mba tanora ihany aho, ary efa antitra aho izao, Nefa mbola tsy nahita olo-marina nafoy, Na nahita ny zanany nangataka sakafo.",
        "26": "Vonona hampisambotra foana izy, Ary hahazo fitahiana ny zanany. \u05e1 [ Sameka ]",
        "27": "Aza manao ratsy intsony fa manaova ny tsara, Dia honina eto an-tany mandrakizay ianao.",
        "28": "Fa tia rariny i Jehovah, Ka tsy hahafoy an\u2019izay tsy mivadika aminy. \u05e2 [ Aina ] Ho voaro foana izy ireo, Fa horinganina kosa ny taranaky ny ratsy fanahy.",
        "29": "Ny olo-marina no handova ny tany, Ka honina eo mandrakizay. \u05e4 [ Pe ]",
        "30": "Mampita fahendrena ny vavan\u2019ny olo-marina, Ary miresaka momba ny rariny ny lelany.",
        "31": "Ao am-pony ny lal\u00e0n\u2019Andriamanitra; Tsy ho solafaka izy rehefa mandeha. \u05e6 [ Tsade ]",
        "32": "Ny ratsy fanahy mitsikilo ny olo-marina, Ka mitady fomba hamonoana azy ho faty.",
        "33": "Fa i Jehovah kosa tsy hahafoy azy ho eo an-tanan\u2019ny ratsy fanahy, Na hanameloka azy rehefa tsaraina izy. \u05e7 [ K\u00f4fa ]",
        "34": "Aoka ianao hanantena an\u2019i Jehovah sy hanaraka ny lalany, Dia hanandratra anao izy ka handova ny tany ianao. Ho hitanao ny handringanana ny ratsy fanahy. \u05e8 [ Resa ]",
        "35": "Hitako hoe ny olona ratsy fanahy sy tsy misy antra, Dia miroborobo toy ny hazo midoroboka eo amin\u2019ny tany naniriany hatramin\u2019izay.",
        "36": "Nanjavona tampoka anefa izy, ka tsy eo intsony; Nitady azy foana aho, nefa tsy hita izy. \u05e9 [ Shina ]",
        "37": "Diniho ny olona tsy misy tsiny, Ary jereo ny olona manao izay mahitsy, Fa hiadana izy amin\u2019ny hoavy.",
        "38": "Ho ripaka daholo kosa ny mpandika lal\u00e0na; Ho ringana ny ratsy fanahy amin\u2019ny hoavy. \u05ea [ Tao ]",
        "39": "Avy amin\u2019i Jehovah ny famonjena ny olo-marina; Izy no fiarovana mafy ho azy ireo amin\u2019ny fotoam-pahoriana.",
        "40": "Hanampy sy hanafaka azy ireo i Jehovah. Hanafaka azy ireo tsy ho azon\u2019ny ratsy fanahy izy ka hamonjy azy, Satria mialoka aminy izy ireo."
    },
    "38": {
        "1": "Jehovah\u00a0\u00f4, aza tezitra rehefa mananatra ahy, Ary aza misafoaka rehefa manitsy ahy.",
        "2": "Fa mitsatoka lalina any anatiko ny zana-tsip\u00eckanao, Ary manindry ahy mafy ny tananao.",
        "3": "Marary ny vatako manontolo satria tezitra ianao. Nanota aho ka tsy milamin-tsaina mihitsy.",
        "4": "Fa efa mihoatra ny lohako ny fahadisoako; Toy ny enta-mavesatra ireny ka tsy zakako.",
        "5": "Maimbo sy mamoro-nana ny feriko, Noho ny hadalana vitako.",
        "6": "Sahiran-tsaina aho ary mamoy\u00a0fo tanteraka; Malahelo foana aho tontolo andro rehefa mandehandeha eny.",
        "7": "Mamaivay ny any anatiko; Marary ny vatako manontolo.",
        "8": "Reraka ny foko sady kivy tanteraka aho; Mitaraindraina mafy aho noho ny tebiteby ato am-poko.",
        "9": "Jehovah\u00a0\u00f4, fantatrao daholo ny faniriako rehetra, Ary tsy miafina aminao ny fisentoako.",
        "10": "Midobodoboka be ny foko, lany ny heriko, Ary tsy mahita tsara intsony ny masoko.",
        "11": "Mandosindositra ahy ny namako sy ny olona mpiaraka amiko, noho ny loza manjo ahy, Ary mihatakataka amiko ny namako akaiky.",
        "12": "Mamelatra fandrika ireo mitady hamono ahy; Ny hamotika ahy no resahin\u2019izay mitady hanisy ratsy ahy; Mingonongonona milaza fitaka izy ireo tontolo andro.",
        "13": "Izaho kosa toy ny marenina ka tsy maheno, Ary toy ny moana ka tsy miloa-bava.",
        "14": "Lasa toy ny olona tsy mandre aho, Izay tsy manan-kolazaina mba hiarovan-tena.",
        "15": "Fa ianao no nandrasako, Jehovah\u00a0\u00f4! Dia namaly ahy ianao, ry\u00a0Jehovah Andriamanitro\u00a0\u00f4!",
        "16": "Fa hoy aho: \u201cEnga anie ka tsy hifaly amin\u2019ny fahavoazako izy ireo, Na hanambony tena ka hanambanimbany ahy, raha sendra mibolisatra ny tongotro.\u201d",
        "17": "Fa efa saika torana aho, Sady nanaintaina foana.",
        "18": "Niaiky ny fahadisoako aho; Nampiady saina ahy ny fahotako.",
        "19": "Ny fahavaloko anefa matanjaka sady mahery; Lasa be dia be ireo mankahala ahy tsy amin\u2019antony.",
        "20": "Namaly ratsy ny soa nataoko izy ireo, Ary nanohitra ahy satria manao ny tsara aho.",
        "21": "Aza mahafoy ahy, Jehovah\u00a0\u00f4! Andriamanitro\u00a0\u00f4, aza mijanona lavitra ahy.",
        "22": "Ampio haingana aho, Ry Jehovah mpamonjy ahy\u00a0\u00f4!"
    },
    "39": {
        "1": "Hoy aho: \u201cHitandrina tsara aho Mba tsy hanota amin\u2019izay lazaiko. Hohidiako ny vavako, Raha mbola misy ratsy fanahy eo akaikiko.\u201d",
        "2": "Tsy niteny aho fa nangina, Ka tsy nilaza na dia zavatra tsara aza. Tena mafy anefa ny fanaintainako.",
        "3": "Toy ny afo nidonaka ny foko tato anatiko. Mbola nirehitra foana izany afo izany raha mbola teo am-pieritreretana aho. Dia niteny aho hoe:",
        "4": "\u201cJehovah\u00a0\u00f4, ampio aho hahafantatra an\u2019izay hiafarako Sy ny halavan\u2019ny androm-piainako, Mba hahalalako fa fohy ihany ny fiainako.",
        "5": "Nataonao vitsy tokoa ny androko, Ary tsinontsinona eo anatrehanao ny halavan\u2019ny androm-piainako. Toy ny fofonaina tokoa ny olona rehetra, na dia toa tsy misy mampanahy azy aza. ( Sela )",
        "6": "Mandalo toy ny aloka tokoa ny olona rehetra. Mifofotra mafy izy, nefa very maina fotsiny izany. Manangona harena izy, nefa tsy fantany hoe ho an\u2019iza izany.",
        "7": "Inona \u00e0ry no mba azoko antenaina, Jehovah\u00a0\u00f4? Ianao no hany fanantenako.",
        "8": "Vonjeo ho afaka amin\u2019ny fandikan-dal\u00e0na rehetra nataoko aho. Aza avela hanao tsinontsinona ahy ny tsisy saina.",
        "9": "Nangina aho; Tsy afaka nanoka-bava aho Satria ianao no nahatonga an\u2019izao rehetra izao hitranga.",
        "10": "Esory ny loza namelezanao ahy. Reraka aho satria mamely ahy ny tananao.",
        "11": "Anarinao ny olona, ka sazinao noho ny fahadisoany; Ataonao potipotika toy ny nohanin\u2019ny bibikely ny zavatra sarobidy aminy. Toy ny fofonaina fotsiny ny olombelona rehetra. ( Sela )",
        "12": "Henoy ny vavaka ataoko, Jehovah\u00a0\u00f4, Ary mihainoa rehefa miantso vonjy aho. Aza odiana tsy hita ny ranomasoko. Fa mpivahiny ihany aho aminao, Dia mpanao dia lavitra mandalo fotsiny toy ny razambeko rehetra.",
        "13": "Avilio tsy hijery ahy amin-katezerana ny masonao mba ho falifaly\u00a0aho Alohan\u2019ny hahafatesako sy tsy hisiako intsony.\u201d"
    },
    "40": {
        "1": "Nanantena mafy an\u2019i Jehovah aho, Dia nanongilan-tsofina nihaino ahy izy ka naheno ny antso vonjy nataoko.",
        "2": "Nampiakariny avy tao amin\u2019ny lavaka misy rano misasasasa aho, Dia avy tao amin\u2019ny fotaka mandrevo. Ary nataony teo ambony harambato ny tongotro; Nataony azo antoka tsara izay nandehanako.",
        "3": "Nampianariny hira vaovao aho avy\u00a0eo, Dia hira fiderana an\u2019Andriamanitsika. Maro no hahita an\u2019izany, dia ho gaga, Ka hatoky an\u2019i Jehovah.",
        "4": "Sambatra ny olona matoky an\u2019i Jehovah, Sy tsy miantehitra amin\u2019ny mpikomy na amin\u2019ny mpamitaka.",
        "5": "Maro ny zavatra nataonao, Jehovah Andriamanitro\u00a0\u00f4, Dia ireo asanao mahatalanjona sy ny fikasanao momba anay. Tsy misy azo ampitahaina aminao; Raha mba te hilaza sy hiresaka momba an\u2019ireny aho, Dia tsy ho vitako ny hitantara an\u2019izany satria be dia be loatra.",
        "6": "Tsy nila sorona sy fanatitra ianao, Fa nosokafanao ny sofiko mba hihaino an\u2019izay lazainao. Tsy nitaky fanatitra dorana sy fanatitra noho ny ota ianao.",
        "7": "Dia hoy aho: \u201cInt\u1ef3 aho fa tonga! Voasoratra ao amin\u2019ny horonam-boky ny momba ahy.",
        "8": "Ny manao ny sitraponao no mahafinaritra ahy, Andriamanitra\u00a0\u00f4, Ary ao anatiko lalina ao ny lal\u00e0nao.",
        "9": "Ambarako amin\u2019ny fiangonana lehibe ny vaovao tsara momba ny fahamarinana. Tsy manakombona ny vavako aho, Jehovah\u00a0\u00f4, araka ny efa fantatrao tsara.",
        "10": "Tsy koboniko ato am-poko ny fahamarinanao. Manambara ny tsy fivadihanao sy ny famonjenao aho. Tsy mba manafina ny fitiavanao sy ny fahamarinanao aho, eo anivon\u2019ny fiangonana lehibe.\u201d",
        "11": "Jehovah\u00a0\u00f4, aza mand\u00e0 tsy hamindra fo amiko. Enga anie hiaro ahy foana ny fitiavanao sy ny tsy fivadihanao ary ny fahamarinanao!",
        "12": "Tsy voaisa ny loza manodidina ahy. Be loatra ny fahadisoana vitako ka tsy hitako izay lalan-kizorana; Maro noho ny volon-dohako ireny, Ka kivy aho.",
        "13": "Jehovah\u00a0\u00f4, mba vonjeo re aho\u00a0e! Jehovah\u00a0\u00f4, mba ampio haingana aho!",
        "14": "Enga anie izay rehetra mitady hamono ahy Mba ho menatra sy ho afa-baraka! Enga anie ireo faly amin\u2019ny fahavoazako Handositra sady ho menatra!",
        "15": "Enga anie izay miteny amiko hoe: \u201cTsara ho azy izay!\u201d Hivarahontsana noho ny henatra.",
        "16": "Fa aoka kosa izay mitady anao Hifaly sy hiravoravo aminao. Enga anie ireo tia ny asa famonjenao hilaza foana hoe: \u201cHankalazaina anie i Jehovah!\u201d",
        "17": "Fa tsy misy mpiaro aho sady mahantra; Enga anie i Jehovah hikarakara ahy! Ianao no mpanampy sy mpanafaka ahy; Andriamanitro\u00a0\u00f4, aza ela loatra."
    },
    "41": {
        "1": "Sambatra izay miahy ny madinika, Fa i Jehovah hamonjy azy amin\u2019ny fotoan-tsarotra.",
        "2": "Hiaro azy sy hitsimbina ny ainy i Jehovah. Holazaina hoe sambatra izy eto an-tany; Tsy hanolotra azy hoviravirain\u2019ny fahavalony mihitsy ianao.",
        "3": "Hanohana azy eo amin\u2019ny fandriana aharariany i Jehovah; Hovanao tanteraka ny fandrianany, mandritra ny fotoana aharariany.",
        "4": "Hoy mantsy aho: \u201cJehovah\u00a0\u00f4, iantrao aho! Sitrano aho fa nanota taminao.\u201d",
        "5": "Maniry loza ho ahy anefa ny fahavaloko, ka milaza hoe: \u201cRahoviana \u00e0ry izy no ho faty dia hohadinoina ny anarany?\u201d",
        "6": "Rehefa tonga mamangy ahy ny iray amin\u2019izy ireo, dia mandainga. Manangona zava-dratsy holazaina momba ahy izy. Lasa mandeha izy avy eo, dia manely an\u2019izany etsy sy eroa.",
        "7": "Mitakoritsika ireo rehetra mankahala ahy; Mitetika ny hanisy ratsy ahy izy ireo, ka milaza hoe:",
        "8": "\u201cMisy zavatra mampahatahotra manjo azy; Lavo izy izao ka tsy ho tafarina intsony.\u201d",
        "9": "Ilay olona tsara fihavanana tamiko sy nitokisako, Izay niara-nihinana mofo tamiko no nanainga ny voditongony hamely ahy.",
        "10": "Fa ianao kosa Jehovah\u00a0\u00f4, iantrao aho ka areno, Amin\u2019izay aho ho afaka hamaly ny nataon\u2019izy ireny.",
        "11": "Izao no hahafantarako fa mankasitraka ahy ianao: Tsy ho resin\u2019ny fahavaloko sy tsy hohorakorahiny aho.",
        "12": "Tohananao aho satria tsy mivadika aminao; Hataonao eo anatrehanao mandrakizay aho.",
        "13": "Enga anie i Jehovah Andriamanitry ny Israely hoderaina Mandrakizay doria! Amena! Amena!"
    },
    "42": {
        "1": "Toy ny serfa mitady mafy renirano, Dia mba mitady mafy anao koa aho, Andriamanitra\u00a0\u00f4!",
        "2": "Mangetaheta mafy an\u2019Andriamanitra aho, dia ilay Andriamanitra velona. Mba rahoviana re aho no hiseho eo anatrehan\u2019Andriamanitra\u00a0e?",
        "3": "Ny ranomasoko no sakafoko na andro na alina; Maneso ahy tontolo andro ny olona hoe: \u201cAiza ny Andriamanitrao?\u201d",
        "4": "Mahatsiaro ny lasa aho, ka avoakako daholo ny ato am-poko. Niara-dia tamin\u2019ny maro mantsy aho taloha; Fanaoko ny nandeha moramora teo alohan\u2019ny vahoaka, nankany an-tranon\u2019Andriamanitra. Nihorakoraka sy falifaly ary nisaotra an\u2019Andriamanitra izahay. Vahoaka be nanao fety izahay, tamin\u2019izany.",
        "5": "Nahoana re aho no dia mamoy fo\u00a0e? Nahoana aho no mikorontan-tsaina? Hiandry an\u2019Andriamanitra aho, Satria mbola hidera azy, fa izy no Mpamonjy Lehibe nanavotra ahy.",
        "6": "Andriamanitra\u00a0\u00f4, mamoy fo aho. Izany no mahatonga ahy hahatsiaro anao, At\u1ef3 amin\u2019ny tanin\u2019i Jordana sy ny tampon\u2019i Hermona, At\u1ef3 amin\u2019ny Tendrombohitra Mizara.",
        "7": "Ny rano lalina miantso ny rano lalina, Rehefa maheno ny feon\u2019ny riandranonao. Manafotra ahy daholo ny onjanao mahery.",
        "8": "Amin\u2019ny antoandro, dia hasehon\u2019i Jehovah hoe tia ahy sy tsy mivadika amiko izy, Ary amin\u2019ny alina, dia hihira momba azy aho\u2014hivavaka amin\u2019ilay Andriamanitra nanome aina ahy.",
        "9": "Hoy aho amin\u2019Andriamanitra, ilay harambatoko: \u201cNahoana ianao no manadino ahy? Nahoana aho no tsy maintsy mandehandeha amin\u2019alahelo noho izaho ampijalin\u2019ny fahavaloko?\u201d",
        "10": "Maneso ahy ny fahavaloko, ka mankahala ahy sy mifofo ny aiko; Maneso ahy tontolo andro izy ireo hoe: \u201cAiza ny Andriamanitrao?\u201d",
        "11": "Nahoana re aho no dia mamoy fo\u00a0e? Nahoana aho no mikorontan-tsaina? Hiandry an\u2019Andriamanitra aho, Satria mbola hidera azy, fa izy no Mpamonjy\u00a0Lehibe nanavotra ahy sady Andriamanitro."
    },
    "43": {
        "1": "Tsarao aho, Andriamanitra\u00a0\u00f4! Arovy aho amin\u2019ilay adiko eny amin\u2019ny fitsarana, izay ifanaovako amin\u2019ny firenena mpivadika. Afaho amin\u2019ny olona mpamitaka sy manao ny tsy marina aho.",
        "2": "Fa ianao no Andriamanitro, fiarovana mafy ho ahy. Nahoana ianao no manary ahy? Nahoana aho no tsy maintsy mandehandeha amin\u2019alahelo noho izaho ampijalin\u2019ny fahavalo?",
        "3": "Alefaso ny hazavanao sy ny fahamarinanao. Hitarika ahy anie ireny; Enga anie ireny hitondra ahy ho any amin\u2019ny tendrombohitrao masina sy ny tranolainao be\u00a0voninahitra!",
        "4": "Dia hankeo amin\u2019ny alitaran\u2019Andriamanitra aho, Dia any amin\u2019Andriamanitra, ilay manome fifaliana be ho ahy. Ary hidera anao amin\u2019ny harpa aho Andriamanitra\u00a0\u00f4, eny, ry\u00a0Andriamanitro.",
        "5": "Nahoana re aho no dia mamoy fo\u00a0e? Nahoana aho no mikorontan-tsaina? Hiandry an\u2019Andriamanitra aho, Satria mbola hidera azy, fa izy no Mpamonjy Lehibe nanavotra ahy sady Andriamanitro."
    },
    "44": {
        "1": "Andriamanitra\u00a0\u00f4, ny sofinay no nandre, Ny razambenay no nitantara taminay Ny zavatra nataonao tamin\u2019ny androny, Tamin\u2019ny andro fahiny.",
        "2": "Noroahinao tamin\u2019ny tananao ireo firenena, Ary napetrakao teo amin\u2019izay nisy azy ireny ny razambenay. Notorotoroinao ireo firenena ka noroahinao.",
        "3": "Tsy ny sabany no nahazoany an\u2019ilay tany, Ary tsy ny sandriny no nahatonga azy ireo handresy, Fa ny tananao ankavanana sy ny sandrinao ary ny fahazavan\u2019ny tarehinao, Satria tianao izy ireo.",
        "4": "Ianao no Mpanjakako, Andriamanitra\u00a0\u00f4! Aoka ianao hamoaka didy mba handresy tanteraka i Jakoba.",
        "5": "Noho ny herinao, dia ho vitanay ny hampihemotra ny fahavalonay. Amin\u2019ny anaranao no hanosihosenay an\u2019izay manohitra anay.",
        "6": "Fa tsy mba miantehitra amin\u2019ny tsip\u00eckako aho, Ary tsy afaka mamonjy ahy ny sabatro.",
        "7": "Fa ianao no namonjy anay tamin\u2019ny fahavalonay, Sy nampahamenatra an\u2019ireo mankahala anay.",
        "8": "Andriamanitra\u00a0\u00f4, ianao no hoderainay tontolo andro, Ary hisaoranay mandrakizay ny anaranao. ( Sela )",
        "9": "Izao anefa ianao nanary anay, ary nanala baraka anay, Sady tsy miaraka amin\u2019ny tafikay.",
        "10": "Ataonao mandositra an\u2019ireo fahavalonay foana izahay; Maka an\u2019izay tiany ireo mankahala anay.",
        "11": "Atolotrao an\u2019ireo fahavalonay izahay, mba hovonoiny hoatran\u2019ny ondry; Aparitakao any amin\u2019ireo firenena izahay.",
        "12": "Ataonao varo-boba ny vahoakanao, Ka tsy maka tombony amin\u2019ilay izy ianao na kely aza.",
        "13": "Avelanao handatsa anay ireo firenena. Avelanao haneso sy hanaraby anay ny olona rehetra manodidina anay.",
        "14": "Avelanao hesoesoin\u2019ireo firenena izahay, Ka mihivingivin-doha ireo vahoaka mahita anay.",
        "15": "Mahatsiaro ho afa-baraka aho tontolo andro, Sady menatra\u00a0be,",
        "16": "Noho ny teny manesoeso sy manambanimbany ataon\u2019izy ireo, Satria mamaly faty anay ny fahavalonay.",
        "17": "Izany rehetra izany no manjo anay, nefa tsy manadino anao izahay, Sady tsy mivadika amin\u2019ny fifanekena nataonao taminay.",
        "18": "Tsy mivily ny fonay, Ary tsy miala amin\u2019ny lalanao ny dianay.",
        "19": "Notorotoroinao tany amin\u2019ny fonenan\u2019ny alikadia anefa izahay, Ary nosaronanao haizim-pito.",
        "20": "Raha nanadino ny anaran\u2019Andriamanitray izahay, Na namelatra ny tananay mba hivavaka tamin\u2019andriamani-kafa,",
        "21": "Dia tsy ho hitan\u2019Andriamanitra ve izany? Mahafantatra ny miafina ao am-po izy.",
        "22": "Hoatran\u2019ny hoe vonoina ho faty izahay isan\u2019andro noho ny aminao; Toy ny ondry hovonoina no fiheverana anay.",
        "23": "Miarena! Nahoana ianao no mbola matory ihany, Jehovah\u00a0\u00f4? Mifohaza! Aza ariana mandrakizay izahay.",
        "24": "Nahoana ianao no mihodina tsy hijery anay? Nahoana ianao no manadino ny fijalianay sy ny fahorianay?",
        "25": "Fa ahohoka amin\u2019ny vovoka izahay; Adaboka amin\u2019ny tany izahay.",
        "26": "Mitsang\u00e0na hanampy anay! Afaho izahay noho ianao be\u00a0fitiavana sy tsy mivadika."
    },
    "45": {
        "1": "Mientanentana be ny foko noho ny vaovao mahafinaritra henoko. Hoy aho: \u201cMomba ny mpanjaka ny hira ataoko.\u201d Enga anie ny lelako ho toy ny penina eny an-tanan\u2019ny mpanao dika soratra tena mahay!",
        "2": "Ianao no tsara tarehy indrindra amin\u2019ny zanak\u2019olombelona, Ary mahafinaritra er\u1ef3 ny teny avy amin\u2019ny molotrao! Izany no antony itahian\u2019Andriamanitra anao mandrakizay.",
        "3": "Ataovy eo amin\u2019ny andilanao ny sabatrao, ry ilay mahery\u00a0\u00f4! Misik\u00ecna haja amam-boninahitra.",
        "4": "Asehoy hoe be\u00a0voninahitra ianao, ary mandrosoa mba handresy! Taingeno ny soavalinao ary miadia mba hisian\u2019ny fahamarinana sy ny fanetren-tena ary ny fahitsiana, Ary ny tananao ankavanana hahavita zavatra mahagaga.",
        "5": "Firenena maro no lavo eo anatrehanao, satria maranitra ny zana-tsip\u00eckanao; Mitsatoka eo amin\u2019ny fon\u2019ny fahavalon\u2019ny mpanjaka ireny.",
        "6": "Andriamanitra no seza fiandriananao mandrakizay mandrakizay; Ny tehin\u2019ny fanjakanao dia tehina mampanjaka ny rariny.",
        "7": "Tianao ny fahamarinana, fa halanao kosa ny faharatsiana. Izany no nahatonga an\u2019Andriamanitra, ilay Andriamanitrao, hanosotra anao menaka mahafalifaly mihoatra noho ireo namanao.",
        "8": "Manitra miora sy aloesy ary kasia ny akanjonao rehetra; Mampifaly anao ny feon\u2019ny zavamaneno avy ao amin\u2019ny lapa mirenty voaravaka ivoara.",
        "9": "Anisan\u2019ny vehivavy ao an-dapanao ny zanakavavin\u2019ireo mpanjaka. Mijoro eo ankavananao ny vadin\u2019ny mpanjaka, sady miravaka volamena avy any Ofira.",
        "10": "Henoy tsara, ry\u00a0zanakavavy\u00a0\u00f4, ka aoka ianao hanongilan-tsofina; Hadinoy ny firenenao sy ny ankohonan-drainao.",
        "11": "Tsy ho andrin\u2019ny mpanjaka ny hahita ny hatsaran-tarehinao, Fa izy no tomponao, Koa miondreha eo anatrehany.",
        "12": "Ho tonga ny zanakavavin\u2019i Tyro sady hitondra fanomezana; Hila sitraka aminao ireo lehilahy mpanankarena indrindra.",
        "13": "Tena be voninahitra ilay zanakavavin\u2019ny mpanjaka, ao an-dapa. Voaravaka volamena ny akanjony.",
        "14": "Hoentina eo amin\u2019ny mpanjaka izy ka hanao akanjo tsara tenona. Entina eo anatrehanao ireo virjiny namany manotrona azy.",
        "15": "Ao anatin\u2019ny fifaliana sy firavoravoana no hitondrana azy ireo; Hiditra ao an-dapan\u2019ny mpanjaka izy ireo.",
        "16": "Hisolo toerana an\u2019ireo razambenao ny zanakao. Hotendrenao ho andriana manerana ny tany izy ireo.",
        "17": "Hampahafantatra ny anaranao amin\u2019ny taranaka fara aman-dimby aho, Ka hidera anao mandrakizay mandrakizay ireo firenena."
    },
    "46": {
        "1": "Fialofana sy hery ho antsika Andriamanitra. Vonona hanampy foana izy amin\u2019ny fotoan-tsarotra.",
        "2": "Koa tsy hatahotra isika, na miova aza ny tany, Na mianjera any amin\u2019ny ranomasina lalina aza ny tendrombohitra,",
        "3": "Na midoboka mafy sy mandroatra aza ny ranomasina, Ary na mihovotrovotra aza ny tendrombohitra noho ny ranomasina misamboaravoara. ( Sela )",
        "4": "Misy renirano misy sampany maro mampifaly ny tan\u00e0nan\u2019Andriamanitra, Dia ilay tranolay be\u00a0voninahitra sy masina, izay an\u2019ny Avo Indrindra.",
        "5": "Ao amin\u2019ilay tan\u00e0na Andriamanitra, ka tsy azo ravana izy\u00a0io. Hamonjy azy io Andriamanitra raha vao mangiran-dratsy ny andro.",
        "6": "Nitabataba be ireo firenena, ary naongana ireo fanjakana; Nampiaka-peo Izy, ka nitsonika ny tany.",
        "7": "Momba antsika i Jehovah Tompon\u2019ny tafika. Fialofana azo antoka ho antsika ilay Andriamanitr\u2019i Jakoba. ( Sela )",
        "8": "Avia hijery ny asan\u2019i Jehovah, Dia ny zava-mahagaga ataony eto an-tany.",
        "9": "Ataony tsy misy ady intsony eran-tany. Tapatapahiny ny tsip\u00ecka, ary potipotehiny ny lefona; Dorany ny kalesy fitondran\u2019ny miaramila miady.",
        "10": "\u201cEkeo hoe resy ianareo, ary fantaro fa izaho no Andriamanitra. Hisandratra eo amin\u2019ireo firenena aho, Ary hisandratra eran-tany.\u201d",
        "11": "Momba antsika i Jehovah Tompon\u2019ny tafika; Fialofana azo antoka ho antsika ilay Andriamanitr\u2019i Jakoba. ( Sela )"
    },
    "47": {
        "1": "Mitehafa ianareo, ry firenena rehetra. Manaova horakora-pandresena ho an\u2019Andriamanitra sady mihobia.",
        "2": "Fa mendrika hatahorana i Jehovah, ilay Avo Indrindra; Izy ilay Mpanjaka lehibe manerana ny tany manontolo.",
        "3": "Ataony manaiky antsika ny vahoaka; Ataony ao ambany tongotsika ireo firenena.",
        "4": "Mifidy lova ho antsika izy, Dia ilay lova reharehan\u2019i Jakoba, izay olona tiany. ( Sela )",
        "5": "Miakatra any amin\u2019ny toerany Andriamanitra raha mbola mihorakoraka sy faly ny olona; Miakatra any amin\u2019ny toerany i Jehovah ary arahina feon\u2019anjombona izany.",
        "6": "Manaova hira fiderana ho an\u2019Andriamanitra. Manaova hira fiderana. Manaova hira fiderana ho an\u2019ny Mpanjakantsika. Manaova hira fiderana.",
        "7": "Fa Mpanjakan\u2019ny tany manontolo Andriamanitra; Manaova hira fiderana, ary aoka ho hita hoe olona misaina ianareo.",
        "8": "Lasa Mpanjaka eo amin\u2019ireo firenena Andriamanitra. Mipetraka eo amin\u2019ny seza fiandrianany masina Andriamanitra.",
        "9": "Mivondrona ny mpitarika vahoaka, Miaraka amin\u2019ny vahoakan\u2019ilay Andriamanitr\u2019i Abrahama. Fa an\u2019Andriamanitra ireo mpitondra ny tany. Misandratra avo dia avo Izy."
    },
    "48": {
        "1": "Tena miavaka i Jehovah, ka izy no mendrika hoderaina indrindra Ao amin\u2019ny tan\u00e0nan\u2019Andriamanitsika, ao amin\u2019ny tendrombohiny masina.",
        "2": "Avo be sady tsara tarehy er\u1ef3 ilay fifalian\u2019ny tany manontolo, Dia ny Tendrombohitra Ziona any amin\u2019ny farany avaratra, Any amin\u2019ny tan\u00e0nan\u2019ilay Mpanjaka Be\u00a0Voninahitra.",
        "3": "Tao amin\u2019ireo tilikambony voaro mafy No nampahafantaran\u2019Andriamanitra fa fialofana azo antoka izy.",
        "4": "Fa nivondrona ireo mpanjaka; Niara-nandroso izy ireo.",
        "5": "Rehefa nahita an\u2019ilay tan\u00e0na izy ireo, dia gaga\u00a0be. Nihorohoro izy ireo ka nikoropaka nandositra.",
        "6": "Tora-kovitra izy ireo tany, Nijalijaly toy ny vehivavy efa ho teraka.",
        "7": "Nopotehinao tamin\u2019ny rivotra avy any atsinanana ny sambon\u2019i Tarsisy ka rendrika.",
        "8": "Ny zavatra henontsika mihitsy izao no hitan\u2019ny masontsika, Ao amin\u2019ny tan\u00e0nan\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, dia ny tan\u00e0nan\u2019Andriamanitsika. Hampiorina mafy azy io mandrakizay Andriamanitra. ( Sela )",
        "9": "Andriamanitra\u00a0\u00f4, misaintsaina ny fitiavanao sy ny tsy fivadihanao izahay, Ao amin\u2019ny tempolinao.",
        "10": "Toy ny anaranao, Andriamanitra\u00a0\u00f4, ny fiderana anao. Tonga hatrany amin\u2019ny faran\u2019ny tany izany. Feno fahamarinana ny tananao ankavanana.",
        "11": "Enga anie hifaly ny Tendrombohitra Ziona! Enga anie ireo tan\u00e0nan\u2019i Joda hiravoravo noho ny didim-pitsaranao!",
        "12": "Mandehana mihodidina an\u2019i Ziona; mandehana manodidina azy; Isao ny tilikambony.",
        "13": "Diniho tsara ny dongon-tany miaro azy. Jereo tsara ny tilikambo voaro mafy eo aminy, Mba hisy hotantarainareo amin\u2019ny taranaka any aoriana.",
        "14": "Fa io Andriamanitra io no Andriamanitsika mandrakizay mandrakizay. Hitari-dalana antsika mandrakizay izy."
    },
    "49": {
        "1": "Henoy izao, ry\u00a0firenena rehetra! Aoka ianareo hihaino tsara, ry mponina rehetra eo amin\u2019izao tontolo izao,",
        "2": "Na ny kely na ny lehibe, Na ny manankarena na ny mahantra.",
        "3": "Hilaza tenim-pahendrena ny vavako, Ary hisaintsaina hevi-dalina ny foko.",
        "4": "Hohenoiko tsara ny ohabolana; Hanazava ny ankamantatra ataoko aho sady hitendry harpa.",
        "5": "Inona moa no atahorako mandritra ny fotoan-tsarotra, Rehefa feno zava-dratsy manodidina ahy noho ny ataon\u2019ireo mitady hamingana ahy?",
        "6": "Na ireo matoky ny harenany, Na ireo mirehareha amin\u2019ny zavatra be dia be ananany,",
        "7": "Dia samy tsy mahavita manavotra ny rahalahiny mihitsy, Na manome an\u2019Andriamanitra vidim-panavotana hamonjena azy,",
        "8": "\u2014Fa lafo loatra ny vidiny hanavotana ny ain\u2019izy ireo, Ka tsy ho voaloany mihitsy\u2014",
        "9": "Mba ho velona mandrakizay izy ka tsy ho lasa any amin\u2019ny lavaka.",
        "10": "Hitany fa na ny hendry aza maty; Samy maty daholo na ny tsy misaina na ny adala, Ka voatery mamela ny fananany ho an\u2019olon-kafa.",
        "11": "Ny faniriany dia ny hoe haharitra mandrakizay ny tranony, Ary haharitra hatramin\u2019ny taranaka fara aman-dimby ny tranolainy. Nampitondrainy ny anarany ny fananany.",
        "12": "Tsy haharitra anefa ny olombelona, na dia omem-boninahitra aza; Mitovy amin\u2019ny biby ihany izy ka ho faty.",
        "13": "Izany no manjo ny tsisy saina Sy ny mpanara-dia azy, izay finaritra amin\u2019ny zavatra tsy misy dikany lazainy. ( Sela )",
        "14": "Voatokana ho an\u2019ny Fasana izy ireo, toy ny ondry hovonoina. Ny fahafatesana no ho mpiandry azy; Ny olona manao izay mahitsy no ho mpitondra eo aminy rehefa maraina. Hanjavona tsy ho hita intsony izy ireo. Fasana fa tsy lapa no ho fonenany.",
        "15": "Fa Andriamanitra kosa hanavotra ahy tsy ho voagejan\u2019ny Fasana, Satria handray ahy izy. ( Sela )",
        "16": "Aza matahotra raha misy olona lasa mpanankarena, Ka lasa tsara tarehy ny tranony.",
        "17": "Rehefa maty mantsy izy, dia tsy hahatondra na inona na inona; Tsy hidina hanaraka azy ny voninahiny.",
        "18": "Fa midera tena izy mandritra ny androm-piainany. \u2014Derain\u2019ny olona ianao rehefa tafita.\u2014",
        "19": "Ho any amin\u2019ny razambeny anefa izy amin\u2019ny farany. Tsy hahita ny mazava intsony ireny.",
        "20": "Izay olona tsy mahatakatra an\u2019izany, na dia omem-boninahitra aza, Dia mitovy amin\u2019ny biby ihany ka ho faty."
    },
    "50": {
        "1": "Ilay Andriamanitry ny andriamanitra, dia i Jehovah, no miteny; Miantso ny tany izy, Hatrany amin\u2019ny fiposahan\u2019ny masoandro ka hatrany amin\u2019ny filentehany.",
        "2": "Avy ao Ziona, tan\u00e0na tonga lafatra amin\u2019ny hatsaran-tarehy, no amirapiratan\u2019Andriamanitra.",
        "3": "Ho avy ilay Andriamanitsika, ary tsy hangina fotsiny izy. Misy afo mandevona eo alohany, Ary misy tafio-drivotra mahery mifofofofo manodidina azy.",
        "4": "Miantso ny lanitra sy ny tany izy, Mba hitsara ny vahoakany. Hoy izy:",
        "5": "\u201cVorio eto anatrehako ny olona tsy mivadika amiko, Dia ireo nanao fifanekena tamiko tamin\u2019ny alalan\u2019ny sorona.\u201d",
        "6": "Ny lanitra manambara ny fahamarinan\u2019Andriamanitra, Fa Andriamanitra no Mpitsara. ( Sela )",
        "7": "\u201cMihainoa, ry vahoakako, fa hiteny aho; Ry Israely, hijoro ho vavolombelona hiampanga anao aho. Izaho no Andriamanitra, ilay Andriamanitrao.",
        "8": "Tsy noho ny sorona nataonao no ananarako anao, Na noho ny fanatitra dorana natolotrao, izay eto anatrehako foana.",
        "9": "Tsy mila maka ombilahy any an-tranonao aho, Na osy ao am-balanao.",
        "10": "Fa ahy ny bibidia rehetra any an\u2019ala, Na dia ny bibidia eny amin\u2019ireo tendrombohitra arivo aza.",
        "11": "Fantatro ny vorona rehetra eny an-tendrombohitra; Ahy ny biby tsy hita isa eny an-tsaha.",
        "12": "Raha noana aho, dia tsy hiteny aminao, Satria ahy ny tany lonaka sy izay rehetra ao aminy.",
        "13": "Hihinana henan\u2019ombilahy angaha\u00a0aho Sa hisotro ran\u2019osy?",
        "14": "Fisaorana no atolory ho sorona ho an\u2019Andriamanitra, Ary tanteraho ny voady nataonao tamin\u2019ny Avo Indrindra;",
        "15": "Antsoy aho rehefa ao anatin\u2019ny sarotra ianao. Dia hamonjy anao aho, ka hanome voninahitra ahy ianao.\u201d",
        "16": "Fa hoy kosa Andriamanitra amin\u2019ny ratsy fanahy: \u201cIanao angaha manana zo hanonona ny fitsipiko, Na hiresaka momba ny fifanekena nataoko?",
        "17": "Ianao mantsy mankahala anatra, Ary tsy raharahianao foana ny teniko.",
        "18": "Rehefa mahita mpangalatra ianao, dia mankasitraka ny ataony, Ary miaraka foana amin\u2019ny mpanitsakitsa-bady ianao.",
        "19": "Avelanao hanely zava-dratsy ny vavanao, Ary tsy mitsahatra miteny fitaka ny lelanao.",
        "20": "Mipetraka manaratsy ny rahalahinao ianao; Resadresahinao ny fahadisoan\u2019ny zanaky ny reninao.",
        "21": "Rehefa nanao an\u2019izany rehetra izany ianao, dia nangina tsy niteny aho, Ka nieritreritra ianao hoe hoatr\u2019anao ihany aho. Hananatra anao anefa aho izao, Ary hilaza an\u2019izay hiampangako anao.",
        "22": "Aoka ianareo izay manadino an\u2019Andriamanitra handinika an\u2019izany, Sao hamiravira anareo aho ka tsy hisy hamonjy anareo.",
        "23": "Izay manolotra fisaorana ho sorona no manome voninahitra ahy. Ary izay tapa-kevitra ny hanao ny tsara foana, Dia hataoko izay hahitany ny famonjen\u2019Andriamanitra.\u201d"
    },
    "51": {
        "1": "Iantrao aho Andriamanitra\u00a0\u00f4, noho ianao be\u00a0fitiavana sy tsy mivadika. Koseho ny fahadisoako, satria be famindram-po ianao.",
        "2": "Sasao tanteraka aho ho afaka amin\u2019ny fahadisoako, Ary diovy ho afaka amin\u2019ny fahotako.",
        "3": "Fa fantatro tsara ny heloka vitako, Ary eo anatrehako foana ny fahotako.",
        "4": "Taminao aho no tena nanota; Izay ratsy eo imasonao no nataoko. Koa manana ny marina ianao rehefa miteny, Ary ara-drariny ny didim-pitsaranao.",
        "5": "Efa meloka ho nanao fahadisoana aho raha vao teraka. Ary efa mpanota aho raha vao niforona tao an-kibon-dreniko.",
        "6": "Mahafinaritra anao ny fahamarinana vokatry ny fo; Ampianaro ny tena fahendrena ny foko.",
        "7": "Diovy amin\u2019ny hysopa aho mba ho afaka amin\u2019ny fahotako, ka hadio; Sasao aho mba ho fotsy noho ny lanezy.",
        "8": "Ataovy izay hahatonga ahy ho faly sy ho ravoravo indray, Mba ho falifaly ny taolako izay nopotipotehinao.",
        "9": "Mihod\u00ecna fa aza mijery ny fahotako, Ary fafao daholo ny fahadisoako.",
        "10": "Amor\u00f2ny fo madio aho, Andriamanitra\u00a0\u00f4, Ary omeo toe-tsaina vaovao tsy miova mihitsy.",
        "11": "Aza mandroaka ahy tsy ho eo anatrehanao; Ary aza esorina amiko ny fanahinao masina.",
        "12": "Ataovy faly amin\u2019ny famonjenao indray aho; Ataovy izay hahatonga ahy haniry hankat\u00f2 anao.",
        "13": "Hampianariko an\u2019ireo mpandika lal\u00e0na ny lalanao, Mba hiverina aminao ny mpanota.",
        "14": "Vonjeo ho afaka amin\u2019ny trosan-dra aho, Andriamanitra\u00a0\u00f4, ry\u00a0Andriamanitra mpamonjy ahy, Mba ho faly hanambara ny fahamarinanao ny lelako.",
        "15": "Jehovah\u00a0\u00f4, sokafy ny molotro, Mba ho afaka hidera anao ny vavako.",
        "16": "Tsy sorona mantsy no tadiavinao, fa raha izany dia ho efa nanao an\u2019izany aho; Tsy mahafinaritra anao ny fanatitra dorana manontolo.",
        "17": "Ny alahelo mafy vokatry ny nenina no sorona ankasitrahan\u2019Andriamanitra. Tsy holavinao ny fo torotoro sy kivy, Andriamanitra\u00a0\u00f4!",
        "18": "Manaova soa amin\u2019i Ziona fa tsara fanahy ianao; Hamafiso ny mandan\u2019i Jerosalema.",
        "19": "Amin\u2019izay ianao dia ho finaritra amin\u2019ny sorona araka ny fahamarinana, Sy ny fanatitra dorana ary ny fanatitra manontolo; Dia hisy ombilahy hatolotra eo amin\u2019ny alitaranao."
    },
    "52": {
        "1": "Nahoana ianao no mirehareha amin\u2019ny zava-dratsy vitanao, ry\u00a0ilay mahery? Be fitiavana sy tsy mivadika Andriamanitra mandritra ny andro.",
        "2": "Ny lelanao, izay maranitra toy ny hareza, Dia mitetika ny hanao ratsy sy hamitaka.",
        "3": "Ny ratsy no tianao kokoa noho ny tsara, Ary ny mandainga noho ny milaza ny marina. ( Sela )",
        "4": "Tianao daholo izay teny mandratra, Ry lela mpamitaka\u00a0\u00f4!",
        "5": "Noho izany, dia horinganin\u2019Andriamanitra tanteraka ianao. Hisambotra anao izy, ary hisintona anao avy ao amin\u2019ny tranolainao; Hanongotra anao hiala eo amin\u2019ny tanin\u2019ny velona izy. ( Sela )",
        "6": "Hahita izany ny olo-marina, ka ho talanjona Sy hihomehy azy, ary hilaza hoe:",
        "7": "\u201cTsy nanao an\u2019Andriamanitra ho fialofany io lehilahy\u00a0io, Fa natoky ny harem-beny Sady niantehitra tamin\u2019ny teti-dratsiny.\u201d",
        "8": "Fa izaho kosa ho toy ny hazo oliva midoroboka ao an-tranon\u2019Andriamanitra; Matoky aho hoe be\u00a0fitiavana sy tsy mivadika mandrakizay mandrakizay Andriamanitra.",
        "9": "Hidera anao mandrakizay aho noho izay nataonao; Hasehoko eo anatrehan\u2019ireo tsy mivadika aminao Fa manantena ny anaranao aho, satria tsara izany."
    },
    "53": {
        "1": "Ny adala miteny anakampo hoe: \u201cTsy misy izany Jehovah izany.\u201d Tena ratsy sy maharikoriko ny tsy rariny ataony; Tsy misy manao ny tsara izy ireo.",
        "2": "Andriamanitra anefa mitazana ny zanak\u2019olombelona avy any an-danitra, Mba hahitana raha misy olona lalin-tsaina ka mitady an\u2019i Jehovah.",
        "3": "Nivily nankany amin\u2019ny lalan-diso izy rehetra; Ratsy toetra daholo izy ireo. Tsy misy manao ny tsara, Na iray aza.",
        "4": "Tsy mba misy tonga saina ve ny mpanao ratsy? Arapany ny vahoakako, ka hohaniny hoatran\u2019ireny mihinan-kanina ireny. Tsy mba miantso an\u2019i Jehovah izy ireo.",
        "5": "Hatahotra be anefa izy ireo, Dia tahotra izay mbola tsy tsapany hatramin\u2019izay. Fa haparitak\u2019Andriamanitra ny taolan\u2019izay manafika anareo. Hataonareo afa-baraka izy ireo satria efa nolavin\u2019i Jehovah.",
        "6": "Enga anie ka ho avy ao Ziona ny famonjena ny Israely! Rehefa ampodin\u2019i Jehovah ny vahoakany lasa babo, Dia hifaly i Jakoba, ary hiravoravo i Israely."
    },
    "54": {
        "1": "Andriamanitra\u00a0\u00f4, mba vonjeo amin\u2019ny anaranao aho, Ary ampiasao hiarovana ahy ny herinao.",
        "2": "Andriamanitra\u00a0\u00f4, henoy ny vavaka ataoko; Mba henoy ny teny aloaky ny vavako.",
        "3": "Fa misy olon-tsy fantatra mitsangana hamely ahy, Ary misy olona tsy mifaditrovana mitady hamono ahy. Tsy miraharaha an\u2019Andriamanitra izy ireo. ( Sela )",
        "4": "Andriamanitra no mpanampy ahy. Manohana an\u2019izay manohana ahy i Jehovah.",
        "5": "Havaliny amin\u2019ny fahavaloko ihany ny ratsy nataon\u2019izy ireo; Aringano izy ireo satria ianao tsy mivadika.",
        "6": "Hanao sorona an-tsitrapo ho anao aho. Hidera ny anaranao aho, Jehovah\u00a0\u00f4, fa tsara izany.",
        "7": "Fa mamonjy ahy amin\u2019ny fahoriako rehetra izy, Ary ho faly aho hahita hoe resy ny fahavaloko."
    },
    "55": {
        "1": "Henoy ny vavaka ataoko, Andriamanitra\u00a0\u00f4, Ary aza odiana tsy hita ny fangatahako famindram-po.",
        "2": "Mba henoy aho, ka valio. Tsy mahatombina aho noho ny tebiteby ato anatiko, Ary miady saina\u00a0aho",
        "3": "Noho izay lazain\u2019ny fahavalo Sy ny fampijaliana ataon\u2019ny ratsy fanahy. Fa ataon\u2019izy ireo tototry ny loza aho, Ary mitana lolompo amiko izy ireo sady tezitra.",
        "4": "Tena ory ny foko ato anatiko, Ary matahotra be mihitsy aho hoe ho faty.",
        "5": "Raiki-tahotra sy tora-kovitra aho, Ary mipararetra mafy.",
        "6": "Miteny foana aho hoe: \u201cRaha mba nanana elatra hoatran\u2019ny voromailala mantsy aho, Dia ho nitsoaka nanidina, ka ho nonina tsy manana ahiahy.",
        "7": "Handositra lavitra aho, Ka hipetraka any an-tany efitra. ( Sela )",
        "8": "Hamonjy fialofana haingana aho, Mba tsy ho azon\u2019ny tafio-drivotra sy ny oram-baratra.\u201d",
        "9": "Ataovy tsy mifanara-tsaina izy ireo, Jehovah\u00a0\u00f4, ary ataovy tsy tanteraka ny fikasany, Fa mahita herisetra sy ady aho ao an-tan\u00e0na.",
        "10": "Mandehandeha eny ambonin\u2019ny mandan\u2019ny tan\u00e0na izy ireo, na andro na alina; Faharatsiana sy fahoriana no hita ao.",
        "11": "Misy loza\u00a0ao; Tsy miala eo amin\u2019ny tany malalak\u2019ilay tan\u00e0na mihitsy ny fampahoriana sy ny fitaka.",
        "12": "Tsy fahavalo mantsy no manaratsy ahy, Fa raha izany, dia ho zakako ihany. Tsy olona mankahala ahy no mitsangana hanohitra ahy, Fa raha izany, dia ho niafina azy aho.",
        "13": "Fa ianao, izay olombelona toa ahy, no nanao an\u2019izany, Dia ilay namako izay fantatro tsara.",
        "14": "Mpinamana be isika hatramin\u2019izay, Ary mpandeha tany an-tranon\u2019Andriamanitra niaraka tamin\u2019ny vahoaka.",
        "15": "Enga anie ho ringana izy ireny, Ka hidina velona any amin\u2019ny Fasana! Fa zava-dratsy foana no ao am-pony na aiza na aiza misy azy.",
        "16": "Fa izaho kosa hiantso an\u2019Andriamanitra, Ka hamonjy ahy i Jehovah.",
        "17": "Na hariva na maraina na antoandro, dia mitebiteby sy mitaraindraina aho, Ka maheno ny feoko izy.",
        "18": "Hanafaka ahy amin\u2019ireo miady amiko izy ka homeny fiadanana aho, Fa maro be no miady amiko.",
        "19": "Handre Andriamanitra ka hamaly an\u2019ireny, Dia ilay Andriamanitra mipetraka eo amin\u2019ny seza fiandrianana efa hatramin\u2019ny taloha ela\u00a0be. ( Sela ) Tsy hanaiky hiova mantsy izy ireny, Dia ireo tsy matahotra an\u2019Andriamanitra.",
        "20": "Nanafika an\u2019ireo tsara fihavanana taminy izy, Ary tsy nanaja ny fifanekena nataony.",
        "21": "Malefaka noho ny dibera ny teniny, Nefa ady no ao am-pony. Malefaka noho ny menaka ny teniny, Nefa toy ny sabatra efa notsoahana tao anaty tranony.",
        "22": "Apetraho amin\u2019i Jehovah izay manavesatra anao, Fa hanohana anao izy. Tsy havelany hianjera mihitsy ny olo-marina.",
        "23": "Fa ianao Andriamanitra\u00a0\u00f4, no hampidina ny ratsy fanahy any amin\u2019ny lavaka faran\u2019izay lalina. Tsy hahatratra ny antsasaky ny androny ny mpandatsa-dra sy ny mpamitaka. Fa izaho kosa hatoky anao."
    },
    "56": {
        "1": "Iantrao aho, Andriamanitra\u00a0\u00f4, fa manafika ahy ny olombelona mety maty. Tsy mitsahatra miady amiko sy mampijaly ahy izy ireo tontolo andro.",
        "2": "Mitady handrapaka ahy foana ny fahavaloko; Maro no mirehareha miady amiko.",
        "3": "Rehefa matahotra aho, dia miantehitra aminao.",
        "4": "Andriamanitra no itokisako, ary deraiko ny teniny, Andriamanitra no itokisako, ka tsy matahotra aho. Inona moa no azon\u2019izay olombelona atao amiko?",
        "5": "Ataon\u2019izy ireo foana izay tsy hampahomby an\u2019izay ataoko; Ny hanisy ratsy ahy ihany no masaka ao an-tsainy.",
        "6": "Miafina izy ireo mba hanafika ahy; Arahiny maso daholo ny diako, Satria te hamono ahy izy ireo.",
        "7": "Sazio izy ireo noho ny ratsy nataony. Aripaho ao anatin\u2019ny hatezeranao ireo firenena, Andriamanitra\u00a0\u00f4!",
        "8": "Fantatrao daholo ny fahoriako tamin\u2019izaho nirenireny. Angony ao anaty sininao ny ranomasoko. Tsy efa voasoratra ao anaty bokinao ve ireny?",
        "9": "Hiverin-dalana ny fahavaloko, amin\u2019ny andro iantsoako vonjy aminao. Izao no atokisako: Manohana ahy Andriamanitra.",
        "10": "Andriamanitra no itokisako, ary deraiko ny teniny; I Jehovah no itokisako, ary deraiko ny teniny;",
        "11": "Andriamanitra no itokisako, ka tsy matahotra aho. Inona moa no azon\u2019izay olombelona atao amiko?",
        "12": "Voafatotry ny voady nataoko taminao aho, Andriamanitra\u00a0\u00f4! Hanolotra fisaorana ho anao aho.",
        "13": "Fa novonjenao tsy ho faty aho Ary nosakananao tsy ho tafintohina ny tongotro, Mba handehanako eo anatrehan\u2019Andriamanitra, miaraka amin\u2019ny velona."
    },
    "57": {
        "1": "Iantrao aho Andriamanitra\u00a0\u00f4! Iantrao aho, Fa mialoka aminao. Mialoka eo ambany aloky ny elatrao aho, mandra-pahalasan\u2019ny loza.",
        "2": "Miantso an\u2019Andriamanitra Avo Indrindra aho, Dia ilay tena Andriamanitra, izay mampitsahatra ny loza mba hiarovana ahy.",
        "3": "Haniraka mpanampy avy any an-danitra izy ka hamonjy ahy. Hataony misahotaka izay mitady handrapaka ahy. ( Sela ) Haniraka ny fitiavany sy ny tsy fivadihany Andriamanitra.",
        "4": "Voahodidin\u2019ny liona aho; Voatery matory eo anivon\u2019ny olona te\u00a0handrapaka ahy aho. Toy ny lefona sy zana-tsip\u00ecka ny nifin\u2019izy ireo Ary toy ny sabatra maranitra ny lelany.",
        "5": "Misandrata any ambonin\u2019ny lanitra, Andriamanitra\u00a0\u00f4! Enga anie ny voninahitrao hanerana ny tany manontolo!",
        "6": "Nanomana harato hamandrihana ny tongotro izy ireo; Mitanondrika noho ny fahoriana aho. Nihady lavaka hamandrihana ahy izy ireo, Nefa izy ireo ihany no latsaka tao. ( Sela )",
        "7": "Tsy miovaova mihitsy ny foko, Andriamanitra\u00a0\u00f4! Tsy miovaova mihitsy ny foko. Hihira sy hitendry mozika ho anao aho.",
        "8": "Mifohaza, ry voninahitro. Mifohaza, ry zavamaneno fitendry\u00a0\u00f4! Ianao koa, ry\u00a0harpa\u00a0\u00f4! Hofohaziko ny maraina mangiran-dratsy.",
        "9": "Hidera anao eo amin\u2019ny vahoaka aho, Jehovah\u00a0\u00f4! Hihira fiderana ho anao eo amin\u2019ireo firenena aho.",
        "10": "Fa tena lehibe ny fitiavanao ka tonga hatreny amin\u2019ny lanitra, Ary ny tsy fivadihanao mipaka hatreny amin\u2019ny rahona.",
        "11": "Misandrata any ambonin\u2019ny lanitra, Andriamanitra\u00a0\u00f4! Enga anie ny voninahitrao hanerana ny tany manontolo!"
    },
    "58": {
        "1": "Afaka miresaka fahamarinana ve ianareo raha mangina? Afaka mitsara araka ny hitsiny ve ianareo, ry\u00a0zanak\u2019olombelona?",
        "2": "Tsia! Mitetika ny hanao ny tsy marina ianareo ao am-ponareo ao, Ary mampirongatra herisetra ao amin\u2019ilay tany ny tananareo.",
        "3": "Vao teraka ny ratsy fanahy dia efa diso lalana; Mpikomy izy ireo sady mpandainga hatramin\u2019ny vao teraka.",
        "4": "Toy ny poizin\u2019ny bibilava ny poizina avy amin\u2019izy ireo; Marenina hoatran\u2019ny k\u00f4br\u00e0 manampin-tsofina izy ireo.",
        "5": "Tsy hihaino ny feon\u2019ireo mpilalao ody mibaiko azy izy, Na dia mahay manao fandraikiraikena tahaka ny inona aza izy ireo.",
        "6": "Andriamanitra\u00a0\u00f4, poteho hiala ao am-bavany ny nifiny! Torotoroy ny valanoranon\u2019ireo liona ireo, Jehovah\u00a0\u00f4!",
        "7": "Hanjavona toy ny rano\u00a0be mora ritra anie izy ireo! Enga anie Izy hanomana ny tsip\u00eckany, ka hampidaraboka azy ireo amin\u2019ny zana-tsip\u00eckany!",
        "8": "Enga anie izy ireo ho toy ny sifotra mihalevona eny am-pandehanana, Ho toy ny zaza vao teraka dia maty ka tsy mahita masoandro!",
        "9": "Mbola tsy mafana akory ny vilaninareo eo ambonin\u2019ny afon-tsilo, Dia efa hesorin\u2019Andriamanitra ny rantsany mando sy ny efa mirehitra, ka ho toy ny nopaohin\u2019ny tafio-drivotra.",
        "10": "Hifaly ny olo-marina satria hitany ny amaliana ny ratsy fanahy; Hiroboka ao anatin\u2019ny ran\u2019izy ireny ny tongony.",
        "11": "Dia hilaza ny olona hoe: \u201cMandray valisoa tokoa ny olo-marina. Ary misy Andriamanitra mitsara tokoa ny tany.\u201d"
    },
    "59": {
        "1": "Vonjeo amin\u2019ny fahavaloko aho, Andriamanitro\u00a0\u00f4! Arovy aho mba tsy ho azon\u2019ireo mitsangana hanohitra ahy.",
        "2": "Afaho tsy ho azon\u2019ireo manao ratsy aho, Ary vonjeo tsy ho azon\u2019ny olona mahery setra.",
        "3": "Jereo fa miafina hamely ahy izy ireo! Manafika ahy ny lehilahy mahery, Nefa izaho tsy mba nikomy na nanota, Jehovah\u00a0\u00f4!",
        "4": "Tsy nanao ratsy akory aho, nefa izy ireo mihazakazaka sy miomana hanafika ahy. Mifohaza rehefa miantso aho, ka mba jereo.",
        "5": "Fa ianao, ry Jehovah Andriamanitry ny tafika\u00a0\u00f4, no Andriamanitry ny Israely. Mifohaza handinika ny firenena rehetra. Aza misy iantrana ny mpamadika ratsy saina. ( Sela )",
        "6": "Miverina izy ireo isan-kariva; Mierona hoatran\u2019ny alika izy ireo ary mandehandeha eran\u2019ny tan\u00e0na.",
        "7": "Jereo izay mivoaka amin\u2019ny vavany; Hoatran\u2019ny sabatra ny molony, Fa hoy izy ireo: \u201cIza moa no maheno antsika?\u201d",
        "8": "Hihomehezanao anefa izy ireo, Jehovah\u00a0\u00f4! Hesoinao ny firenena rehetra.",
        "9": "Ry Heriko\u00a0\u00f4, ianao no handrasako; Fa Andriamanitra no fialofana azoko antoka.",
        "10": "Ho avy hanampy ahy ilay Andriamanitra tia ahy sy tsy mivadika amiko; Hataon\u2019Andriamanitra faly mahita ny fahavaloko resy aho.",
        "11": "Aza vonoina izy ireo sao hanadino an\u2019izany ny vahoakako. Ampiasao ny herinao ka ataovy mirenireny izy ireo; Ataovy resy izy ireo, ry\u00a0Jehovah ampinganay\u00a0\u00f4!",
        "12": "Noho ny fahotan\u2019ny vavany, eny, noho ny tenin\u2019ny molony, Dia enga anie izy ireo ho voafandriky ny fireharehany, Noho ny ozona sy fitaka lazainy!",
        "13": "Aringano ao anatin\u2019ny hatezerana izy ireo amin\u2019ny farany; Aringano izy ireo mba tsy hisy intsony; Ataovy fantany fa Andriamanitra no manjaka eo amin\u2019i Jakoba ka hatrany amin\u2019ny faran\u2019ny tany. ( Sela )",
        "14": "Avelao izy ireo hiverina rehefa hariva; Avelao izy ireo hierona hoatran\u2019ny alika sy handehandeha eran\u2019ny tan\u00e0na.",
        "15": "Aoka izy ireo hirenireny hitady hanina; Aza avela ho voky na hahita toerana hilasiana izy ireo.",
        "16": "Fa izaho kosa hihira momba ny herinao; Hiresaka momba ny fitiavanao sy ny tsy fivadihanao aho, rehefa maraina. Fa ianao no fialofana azoko antoka, Sy toerana fandosirako amin\u2019ny andro ahitako fahoriana.",
        "17": "Ry Heriko\u00a0\u00f4, hihira fiderana ho anao aho! Fa fialofana azoko antoka Andriamanitra, dia ilay Andriamanitra tia ahy sy tsy mivadika amiko."
    },
    "60": {
        "1": "Andriamanitra\u00a0\u00f4, efa narianao izahay ary efa naparitakao ny tafikay. Tezitra taminay ianao, fa mba ataovy mahazo sitraka aminao indray izahay izao.",
        "2": "Nataonao nihovotrovotra ny tany, ka nataonao nitresaka. Amboary izay triatra aminy, fa mirodana izy.",
        "3": "Nataonao nijaly noho ny fahoriana ny vahoakanao. Nampisotroinao divay izahay, ka mivembena.",
        "4": "Omeo famantarana ireo matahotra anao, Mba handositra sy ho afa-miala tsy ho voan\u2019ny tsip\u00ecka. ( Sela )",
        "5": "Vonjeo amin\u2019ny tananao ankavanana izahay ka valio, Mba ho avotra ireo tianao.",
        "6": "Efa niteny ilay Andriamanitra masina hoe: \u201cHo faly aho hanome an\u2019i Sekema ho lovan\u2019ny vahoakako, Ary horefesiko ny Lohasahan\u2019i Sokota.",
        "7": "Ahy i Gileada, ary ahy koa i Manase; I Efraima no fiarovan-dohako; Ary i Joda no ataoko tehim-pahefana.",
        "8": "I Moaba no koveta isasako. Any Edoma no hanipazako ny kapako. Hihorakoraka sady ho faly aho rehefa resiko i Filistia.\u201d",
        "9": "Iza no hitondra ahy any amin\u2019ilay tan\u00e0na natao fahirano? Iza no hitarika ahy hatrany Edoma?",
        "10": "Tsy ianao ve, Andriamanitra\u00a0\u00f4, ilay nanary anay, Ilay Andriamanitray nefa tsy miaraka amin\u2019ny tafikay intsony?",
        "11": "Ampio izahay rehefa misy fahoriana mahazo anay, Fa tsy misy dikany ny famonjena avy amin\u2019ny olombelona.",
        "12": "Hahazo hery avy amin\u2019Andriamanitra izahay, Ary hanosihosy an\u2019ireo fahavalonay izy."
    },
    "61": {
        "1": "Henoy ny antso vonjy ataoko, Andriamanitra\u00a0\u00f4! Mba henoy ny vavaka ataoko.",
        "2": "Avy any amin\u2019ny faran\u2019ny tany aho no hitaraina aminao, Rehefa kivy ny foko. Mba ento eny ambony vatolampy avo kokoa noho izaho re aho\u00a0e!",
        "3": "Fa ianao no fialofako, Tilikambo mafy miaro ahy amin\u2019ny fahavaloko.",
        "4": "Hivahiny ao an-tranolainao mandrakizay aho; Hialoka eo ambany elatrao aho. ( Sela )",
        "5": "Fa efa naheno ny voady nataoko ianao, Andriamanitra\u00a0\u00f4! Efa nomenao ahy ilay lova natokanao ho an\u2019ireo matahotra ny anaranao.",
        "6": "Hampianao ny andro hiainan\u2019ny mpanjaka, Ary hahatratra ny taranaka fara aman-dimby ny taona hiainany.",
        "7": "Hipetraka eo amin\u2019ny seza fiandrianana eo anatrehan\u2019Andriamanitra mandrakizay izy; Anehoy fitiavana sy tsy fivadihana izy mba hiaro azy izany.",
        "8": "Dia hihira fiderana ho an\u2019ny anaranao mandrakizay aho, Sady hanefa isan\u2019andro an\u2019ireo voady nataoko."
    },
    "62": {
        "1": "Andriamanitra tokoa no andrasako amim-panginana. Izy no hamonjy ahy.",
        "2": "Izy tokoa no vatolampiko sy mpamonjy ahy, fialofana azoko antoka; Tsy hangozohozo be loatra mihitsy aho.",
        "3": "Mandra-pahoviana ianareo no hamely olona mba hahafaty azy? Mampidi-doza hoatran\u2019ny manda mitongilana ianareo rehetra, hoatran\u2019ny manda vato efa hirodana.",
        "4": "Fa mikaon-doha izy ireo mba hanonganana azy hiala amin\u2019ny toerana ambony tanany; Mahafinaritra azy ireo ny mandainga. Ny vavany mirary soa, nefa ny fony manozona. ( Sela )",
        "5": "Miandry an\u2019Andriamanitra amim-panginana tokoa aho, Satria izy no antenaiko.",
        "6": "Izy tokoa no vatolampiko sy mpamonjy ahy, fialofana azoko antoka; Tsy hangozohozo mihitsy aho.",
        "7": "Miankina amin\u2019Andriamanitra ny famonjena ahy sy ny voninahitro. Vatolampy mafy sy fialofana ho ahy Andriamanitra.",
        "8": "Matokia azy foana ianareo, rey olona\u00a0\u00f4! Aborahy aminy ny ao am-ponareo. Fialofana ho antsika Andriamanitra. ( Sela )",
        "9": "Toy ny fofonaina fotsiny ny zanak\u2019olombelona, Tsy azo ianteherana ny taranak\u2019olombelona. Raha miara-atao eo ambony mizana izy ireo, dia maivana kokoa noho ny fofonaina.",
        "10": "Aza miantehitra amin\u2019ny fanaovana an-keriny, Na manantena ny hahazo tombony avy amin\u2019ny fandrobana. Raha mitombo ny harenanareo, dia aza manankim-po amin\u2019izany.",
        "11": "Niteny indray mandeha Andriamanitra; indroa aho no nahare hoe: An\u2019Andriamanitra ny hery.",
        "12": "Anao koa, Jehovah\u00a0\u00f4, ny fitiavana sy ny tsy fivadihana, Fa mamaly ny tsirairay araka ny nataony ianao."
    },
    "63": {
        "1": "Andriamanitra\u00a0\u00f4, ianao no Andriamanitro, ary mitady anao foana aho. Mangetaheta mafy anao aho. Tsy misy hery intsony aho satria maniry mafy anao Eto amin\u2019ity tany maina sy karakaina tsy misy rano ity.",
        "2": "Dia nijery anao tao amin\u2019ny toerana masina aho; Hitako ny herinao sy ny voninahitrao.",
        "3": "Tsara noho ny aina ny fitiavanao sy ny tsy fivadihanao, Ka hanome voninahitra anao ny molotro.",
        "4": "Koa hidera anao aho mandritra ny androm-piainako; Amin\u2019ny anaranao no hivavahako.",
        "5": "Afa-po aho amin\u2019ny anjara tsara indrindra sy faran\u2019izay tsara omenao, Ka hidera anao ny vavako ary ho faly hihira ho anao ny molotro.",
        "6": "Mahatsiaro anao aho rehefa eo am-pandrianako; Misaintsaina momba anao aho mandritra ny fotoam-piambenana amin\u2019ny alina.",
        "7": "Fa ianao no mpanampy ahy, Ary mihoby eo ambany aloky ny elatrao aho.",
        "8": "Mifikitra aminao aho; Mitazona mafy ahy foana ny tananao ankavanana.",
        "9": "Fa izay mifofo ny aiko kosa Hidina any amin\u2019ny faritra lalina amin\u2019ny tany.",
        "10": "Hatolotra ho fatin\u2019ny sabatra izy ireny, Ary ho sakafon\u2019ny alikadia.",
        "11": "Hifaly noho izay hataon\u2019Andriamanitra anefa ny mpanjaka. Hiravoravo izay rehetra mianiana amin\u2019ny anaran\u2019Andriamanitra, Satria ho tampina ny vavan\u2019izay mandainga."
    },
    "64": {
        "1": "Henoy ny fitalahoako, Andriamanitra\u00a0\u00f4! Arovy amin\u2019ny fanafihana mampahatahotra ataon\u2019ny fahavalo ny aiko.",
        "2": "Arovy amin\u2019ny tetika mangingina ataon\u2019ny ratsy fanahy aho, Sy amin\u2019ny andiana mpanao ratsy.",
        "3": "Mandranitra ny lelany ho toy ny sabatra ireny; Mikendry amin\u2019ny zana-tsip\u00eckany, dia ny teny mandratra ataony, ireny",
        "4": "Mba hitifirana ny tsy manan-tsiny, avy ao amin\u2019ny toeram-piafenany; Mitifitra azy tampoka ireny, sady tsy mba matahotra.",
        "5": "Mikiry hanatanteraka ny teti-dratsiny ireny, Ary mifampiresaka hoe ahoana no hanafenana ny fandrika ampiasainy. Hoy izy ireny: \u201cIza koa no hahita an\u2019ireo?\u201d",
        "6": "Mitady hevitra vaovao hanaovan-dratsy izy ireny, Ary mikononkonona tetika maty paika; Tsy fantatra mihitsy ny eritreritra ao am-pon\u2019ny tsirairay aminy.",
        "7": "Hotifirin\u2019Andriamanitra anefa ireny; Handratra azy ireny tampoka ny zana-tsip\u00ecka.",
        "8": "Izy ihany no ho voan\u2019ny tetika ataony; Hihivingivin-doha izay rehetra mahita azy.",
        "9": "Dia hatahotra daholo ny olona, Ka hanambara an\u2019izay nataon\u2019Andriamanitra, Ary hahafantatra tsara ny asany.",
        "10": "Hifaly amin\u2019i Jehovah ny olo-marina, ka hialoka aminy; Hiravoravo daholo ny mahitsy\u00a0fo."
    },
    "65": {
        "1": "Hoderaina any Ziona ianao, Andriamanitra\u00a0\u00f4! Hanefa ny voady nataonay taminao izahay.",
        "2": "Ry Mpihaino vavaka\u00a0\u00f4, ianao no hohatonin\u2019ny karazan\u2019olona rehetra.",
        "3": "Tototry ny fahadisoako aho, Nefa ianao mamela ny fandikan-dal\u00e0na nataonay.",
        "4": "Sambatra izay fidinao sy asainao manatona anao Mba hipetraka eo an-tokotaninao. Hahafa-po anay ny zava-tsoa ao an-tranonao, Dia ny tempolinao masina.",
        "5": "Ry Andriamanitra mpamonjy anay\u00a0\u00f4, Hamaly ny fangatahanay ianao, ka hanao zavatra miavaka ho fampiharana ny rariny. Ianao ilay Itokisan\u2019ny olona hatrany amin\u2019ny faran\u2019ny tany Sy ireo any an-dranomasina lavitra.",
        "6": "Mampiorina mafy ny tendrombohitra amin\u2019ny herinao ianao; Ny tanjakao no akanjo anaovanao.",
        "7": "Mampitony ny ranomasina misamboaravoara ianao, Dia ny fidoboky ny onjany sy ny tabataban\u2019ireo firenena.",
        "8": "Ho talanjona amin\u2019ireo famantarana ataonao ny mponina any amin\u2019ny faritra lavitra; Hataonao izay hihobian\u2019ireo mipetraka any amin\u2019ny fiposahan\u2019ny masoandro ka hatrany amin\u2019ny filentehany.",
        "9": "Mikarakara ny tany ianao, Ka ataonao mahavokatra be sy tena lonaka izy io. Mikoriana foana ny renirano avy amin\u2019Andriamanitra; Manome vokatra ho an\u2019ny olona ianao, Satria efa nomaninao ho amin\u2019izany ny tany.",
        "10": "Ataonao vonton-drano ny vava\u00a0asany, ary ataonao mitovy tantana ny tany voasa; Mandrotsaka oram-be ianao mba hampahalemy ny tany, ary tahinao izay mitsiry eo aminy.",
        "11": "Ravahanao amin\u2019ny hatsaranao ny taona, ka toy ny hoe asianao satroboninahitra; Tondraka zava-tsoa izay andalovanao.",
        "12": "Rakotra ahi-maitso foana ny kijana any an-tany efitra, Ary miakanjo fifaliana ny havoana.",
        "13": "Feno ondry aman\u2019osy eny amin\u2019ny kijana, Ary rakotra varimbazaha ny lohasaha. Manao horakora-pandresena ireny, eny, mihira."
    },
    "66": {
        "1": "Manaova horakora-pandresena ho an\u2019Andriamanitra, ry tany manontolo.",
        "2": "Manaova hira fiderana ho an\u2019ny anarany be\u00a0voninahitra. Ataovy makotrokotroka ny fiderana azy.",
        "3": "Milaz\u00e0 amin\u2019Andriamanitra hoe: \u201cMahatalanjona sy mampahatahotra tokoa ny asanao! Tena mahery ianao, Ka hatahotra ny fahavalonao rehefa eo anatrehanao.",
        "4": "Hiankohoka eo anatrehanao ny tany manontolo; Hihira fiderana ho anao izy ireny, Hihira fiderana ho an\u2019ny anaranao.\u201d ( Sela )",
        "5": "Avia hijery ny asan\u2019Andriamanitra. Mahatalanjona sy mampahatahotra ny zavatra ataony ho an\u2019ny zanak\u2019olombelona.",
        "6": "Novany ho tany maina ny ranomasina; Nandeha an-tongotra niampita ny renirano izy ireo. Teo izahay no nifaly noho ny zavatra nataony.",
        "7": "Manjaka mandrakizay izy satria mahery. Mandinika an\u2019ireo firenena ny masony. Tsy tokony hanandra-tena ireo mafy loha. ( Sela )",
        "8": "Derao ny Andriamanitray, ry\u00a0firenena! Ary ataovy maredona tsara ny fiderana azy.",
        "9": "Mitsimbina ny ainay izy; Tsy avelany ho tafintohina ny tongotray.",
        "10": "Fa nandinika anay ianao, Andriamanitra\u00a0\u00f4; Nanadio anay ianao, toy ny fanadio volafotsy amin\u2019ny afo.",
        "11": "Nampidirinao tao anaty harato famandrihana izahay; Nampitondrainao enta-mavesatra izahay.",
        "12": "Navelanao hanosihosy anay ny olombelona mety maty. Namakivaky afo sy rano izahay, Dia avy eo nentinao tany amin\u2019ny toerana fialan-tsasatra.",
        "13": "Hankao an-tranonao hitondra fanatitra dorana aho. Hefaiko aminao ny voadiko,",
        "14": "Izay nampanantenain\u2019ny molotro, Sy nolazain\u2019ny vavako tamin\u2019izaho nijaly.",
        "15": "Hatolotro ho anao ho fanatitra dorana ny biby matavy, Sy ny setroky ny ondrilahy atao sorona. Hanolotra ombilahy sy osilahy aho. ( Sela )",
        "16": "Avia hihaino ahy ianareo rehetra matahotra an\u2019Andriamanitra, Dia hotantaraiko anareo izay nataony ho ahy.",
        "17": "Niantso azy ny vavako, Ary nanome voninahitra azy ny lelako.",
        "18": "Raha nieritreritra zava-dratsy foana aho tato am-poko, Dia tsy ho nihaino ahy i Jehovah.",
        "19": "Tena nihaino ahy anefa Andriamanitra. Nohenoiny tsara ny vavaka nataoko.",
        "20": "Hoderaina anie Andriamanitra, izay tsy nanda ny vavaka nataoko Sady mbola tia ahy sy tsy mivadika amiko ihany."
    },
    "67": {
        "1": "Hiantra sy hitahy antsika Andriamanitra; Ho miramirana amintsika izy, ( Sela )",
        "2": "Mba ho fantatra eran-tany ny lalanao, Ary ho fantatra eo amin\u2019ny firenena rehetra ny asa famonjenao.",
        "3": "Hidera anao anie ny vahoaka, Andriamanitra\u00a0\u00f4! Hidera anao anie ny vahoaka rehetra!",
        "4": "Aoka ireo firenena hifaly sy hihoby, Fa hotsarainao ara-drariny ny vahoaka. Hitari-dalana an\u2019ireo firenena eto an-tany ianao. ( Sela )",
        "5": "Hidera anao anie ny vahoaka, Andriamanitra\u00a0\u00f4! Hidera anao anie ny vahoaka rehetra!",
        "6": "Hahavokatra ny tany; Hitahy antsika Andriamanitra, eny, ilay Andriamanitsika.",
        "7": "Hitahy antsika tokoa Andriamanitra, Ary hatahotra azy ny olona hatrany amin\u2019ny faran\u2019ny tany."
    },
    "68": {
        "1": "Aoka hitsangana Andriamanitra, dia hiparitaka ny fahavalony. Aoka handositra eo anatrehany izay mankahala azy.",
        "2": "Horoahinao anie ireny ka hataonao toy ny setroka entin\u2019ny rivotra! Toy ny savoka mitsonika eo anoloan\u2019ny\u00a0afo No aoka hahalevona ny ratsy fanahy tsy ho eo anatrehan\u2019Andriamanitra.",
        "3": "Fa aoka hifaly kosa ny olo-marina; Enga anie izy ireo ho faly\u00a0be eo anatrehan\u2019Andriamanitra! Hiravoravo sy ho faly anie izy ireo!",
        "4": "Mihir\u00e0 ho an\u2019Andriamanitra! Manaova hira fiderana ho an\u2019ny anarany. Mihir\u00e0 ho an\u2019Ilay mandeha mamakivaky ny lemaka karakaina. Jah no anarany! Mifalia eo anatrehany!",
        "5": "Rain\u2019ny kamboty ray sady mpiaro ny mpitondratena Andriamanitra, ao amin\u2019ny fonenany masina.",
        "6": "Manome trano ho an\u2019ireo manirery Andriamanitra. Manafaka ny voafonja izy ka ataony mahomby izay ataon\u2019izy ireny. Fa izay mafy loha kosa honina any amin\u2019ny tany karakaina.",
        "7": "Rehefa nitarika ny vahoakanao ianao, Andriamanitra\u00a0\u00f4, Ka nandeha namakivaky ny tany efitra, ( Sela )",
        "8": "Dia nihovotrovotra ny tany; Nandrotsaka orana ny lanitra satria teo Andriamanitra. Nihovotrovotra i Sinay satria teo Andriamanitra, dia ilay Andriamanitry ny Israely.",
        "9": "Nampilatsaka oram-be ianao, Andriamanitra\u00a0\u00f4! Nohatanjahinao indray ny vahoakanao efa reraka.",
        "10": "Nipetraka tao amin\u2019ny tranolay tao amin\u2019ny tobinao izy ireo; Tsara toetra ianao ka nanome izay nilain\u2019ny mahantra, Andriamanitra\u00a0\u00f4!",
        "11": "Manome baiko i Jehovah; Tafika lehibe ny vehivavy manambara ny vaovao tsara.",
        "12": "Mandositra ireo mpanjakan\u2019ny tafika, eny, mandositra izy ireo! Mahazo anjara amin\u2019izay nobaboina ny vehivavy mijanona ao an-trano.",
        "13": "Na dia matory eny akaikin\u2019ny afon-dasy aza ianareo, Dia hahazo voromailala manana elatra rakotra volafotsy, Sy volon\u2019elatra volamena tena tsara.",
        "14": "Rehefa naparitak\u2019Ilay Mahery Indrindra ireo mpanjaka tao amin\u2019ilay tany, Dia nirotsaka ny lanezy teo Zalmona.",
        "15": "Tendrombohitr\u2019Andriamanitra ny tendrombohitr\u2019i Basana. Tendrombohitra misy tendrony maro ny tendrombohitr\u2019i Basana.",
        "16": "Nahoana ianareo, ry\u00a0tendrombohitra misy tendrony maro, no mialona An\u2019ilay tendrombohitra nofidin\u2019Andriamanitra ho fonenany? Hipetraka ao mandrakizay tokoa i Jehovah.",
        "17": "An\u2019alinaliny ny kalesin\u2019Andriamanitra fitondrany miady, eny, an\u2019arivoarivony. Avy tany Sinay i Jehovah no nankao amin\u2019ny toerana masina.",
        "18": "Niakatra tany amin\u2019ny avo ianao, Ary nitondra olona maro ho babo. Nisy lehilahy nentinao ka nataonao fanomezana, Eny, nentinao na dia ireo mafy loha aza, mba hiarahanao mipetraka aminy, ry\u00a0Jah Andriamanitra\u00a0\u00f4!",
        "19": "Hoderaina anie i Jehovah, izay mitondra ny entantsika isan\u2019andro, Dia ilay tena Andriamanitra mpamonjy antsika! ( Sela )",
        "20": "Ilay tena Andriamanitra no Andriamanitra mamonjy antsika; Ary i Jehovah, ilay Tompo Fara Tampony, no manafaka amin\u2019ny fahafatesana.",
        "21": "Tena hopotipotehin\u2019Andriamanitra ny lohan\u2019ny fahavalony, Dia ny tampon-dohan\u2019izay mikiry manota.",
        "22": "Hoy i Jehovah: \u201cHitondra azy ireo hiverina avy any Basana aho; Hoentiko miverina avy any amin\u2019ny ranomasina lalina izy ireo,",
        "23": "Mba hihosin-dra ny tongotrao Ary hilelaka ny ran\u2019ny fahavalo ny alikanao.\u201d",
        "24": "Hitan\u2019ny olona ny filaharana tarihinao, Andriamanitra\u00a0\u00f4, Dia ny filaharana tarihin\u2019ilay Andriamanitro sady Mpanjakako, mankao amin\u2019ny toerana masina.",
        "25": "Ny mpihira no mandeha eo aloha, ny mpitendry zavamaneno no manaraka azy ireo, Ary ny tovovavy mively ampongatapaka no eo afovoany.",
        "26": "Mider\u00e0 an\u2019Andriamanitra eo anivon\u2019ny vahoaka tafavory; Mider\u00e0 an\u2019i Jehovah, ianareo avy amin\u2019ny Loharanon\u2019i Israely.",
        "27": "Io i Benjamina, ilay zandriny indrindra. Naharesy an\u2019ireny izy, Sy ny andrianan\u2019i Joda miaraka amin\u2019ny vahoakany mihorakoraka, Ary ny andrianan\u2019i Zebolona sy ny andrianan\u2019i Naftaly.",
        "28": "Namoaka didy ny Andriamanitrao hoe hahery ianao. Asehoy ny herinao, Andriamanitra\u00a0\u00f4, dia ianao izay nanao zavatra ho anay.",
        "29": "Noho ny tempolinao ao Jerosalema, Dia hitondra fanomezana ho anao ireo mpanjaka.",
        "30": "Teneno mafy ny bibidia any anaty bararata, Ny andian\u2019ombilahy sy ny zanany, Mandra-piankohok\u2019ireo firenena sy hitondrany volafotsy. Aparitany kosa ireo firenena tia ady.",
        "31": "Hisy zavatra vita amin\u2019ny halimo hoentina avy any Ejipta. Ho maika hanolotra fanomezana ho an\u2019Andriamanitra i Kosy.",
        "32": "Mihir\u00e0 ho an\u2019Andriamanitra ianareo, ry\u00a0fanjakana eto an-tany, Manaova hira fiderana ho an\u2019i Jehovah, ( Sela )",
        "33": "Dia ho an\u2019ilay mitaingina ny lanitry ny lanitra izay efa nisy hatry ny\u00a0ela. Izany izy fa mampikotrokotroka ny feony, dia ny feony mafy dia mafy!",
        "34": "Ekeo fa mahery Andriamanitra. Ambony dia ambony izy eo amin\u2019ny Israely, Ary asehony avy any an-danitra ny heriny.",
        "35": "Mendrika hatahorana Andriamanitra, izay ao amin\u2019ny toerany masina be\u00a0voninahitra. Izy no Andriamanitry ny Israely, Izay manome hery sy tanjaka ho an\u2019ny olona. Derao Andriamanitra!"
    },
    "69": {
        "1": "Vonjeo aho, Andriamanitra\u00a0\u00f4, fa miakatra ny rano ka mitady hahafaty ahy.",
        "2": "Tafalentika ao anaty fotaka mandrevo aho, ka tsy misy tany maina hamikiran\u2019ny tongotro. Latsaka ao anaty rano lalina aho, Ary nofaohin\u2019ny rano misasasasa.",
        "3": "Sasatry ny miantso aho, Ary farina mihitsy ny feoko. Reraka ny masoko eo am-piandrasana an\u2019Andriamanitro.",
        "4": "Maro noho ny volon-dohako Ireo mankahala ahy tsy amin\u2019antony. Lasa be dia be ireo mitady hamono ahy, Dia ny fahavalo mpamadika ahy. Voatery nanolo zavatra tsy nangalariko aho.",
        "5": "Andriamanitra\u00a0\u00f4, fantatrao ny hadalako, Ary tsy miafina aminao ny heloko.",
        "6": "Enga anie tsy ho menatra noho ny amiko ireo manantena anao, Ry Jehovah Tompon\u2019ny tafika\u00a0\u00f4, ry\u00a0Tompo Fara Tampony! Tsy ho afa-baraka noho ny amiko anie ireo mitady anao, Ry Andriamanitry ny Israely\u00a0\u00f4!",
        "7": "Latsain\u2019ny olona aho noho ny aminao; Afa-baraka tanteraka aho.",
        "8": "Lasa toy ny olona tsy fantatry ny rahalahiko aho. Toy ny hoe vahiny aho amin\u2019ny zanak\u2019i Neny.",
        "9": "Toy ny afo miredareda ato anatiko ny hafanam-poko ho an\u2019ny tranonao, Ary mihatra amiko ny latsa ataon\u2019ireo mandatsa anao.",
        "10": "Rehefa nanetry tena aho ka nifady hanina, Dia nolatsaina.",
        "11": "Rehefa niakanjo gony aho, Dia nesoesoin\u2019izy ireo.",
        "12": "Izaho no ambentin-dresak\u2019ireo mipetraka eo am-bavahadin\u2019ny tan\u00e0na, Ary manao hira momba ahy ny mpisotro toaka.",
        "13": "Fa enga anie ho tonga any aminao ny vavaka ataoko Jehovah\u00a0\u00f4, amin\u2019ny fotoana anehoanao fankasitrahana. Be fitiavana sy tsy mivadika ianao, Andriamanitra\u00a0\u00f4, Ka valio aho ary asehoy fa ianao no tena mpamonjy.",
        "14": "Afaho avy ao anaty fotaka aho, Fa aza avela hilentika. Afaho tsy ho azon\u2019ireo mankahala\u00a0ahy Sy amin\u2019ny rano lalina aho.",
        "15": "Aza avela hifaoka ahy ny rano\u00a0be misasasasa; Aza avela hitelina ahy ny rano lalina, Na hikatona amiko ny vavan\u2019ny lavadrano.",
        "16": "Valio aho, Jehovah\u00a0\u00f4, fa tsara ny fitiavanao sy ny tsy fivadihanao. Mba tsinjovy aho fa be\u00a0famindram-po ianao,",
        "17": "Ary aza mihodina tsy hijery ny mpanomponao. Mba valio haingana aho fa mijaly.",
        "18": "Manat\u00f2na dia afaho aho. Mba avoty tsy ho azon\u2019ny fahavaloko aho.",
        "19": "Fantatrao ny latsa sy ny henatra ary ny fahafaham-baraka mahazo ahy. Hitanao daholo ny fahavaloko.",
        "20": "Nahavaky fo ahy ny latsa, ary tsy mety sitrana ny fery. Nanantena aho hoe mba hisy hangoraka, saingy indrisy fa tsy nisy, Ary mba hisy hampionona, saingy tsy nahita na iray aza.",
        "21": "Poizina kosa no nomen\u2019izy ireo hohaniko, Ary vinaingitra no nomeny ahy hosotroiko rehefa nangetaheta aho.",
        "22": "Aoka ho lasa fandrika ho azy ireo ny latabany, Ary ho vela-pandrika ho azy ireo koa ny fahombiazany.",
        "23": "Aoka ho jamba ny masony ka tsy hahita, Ary ataovy mangozohozo foana ny andilany.",
        "24": "Anamparo ny hatezeranao izy ireo, Ary enga anie ianao ho tezitra\u00a0be aminy!",
        "25": "Aoka ho foana ny tobiny, Ary aoka tsy hisy honina intsony ao an-tranolainy.",
        "26": "Fa enjehin\u2019izy ireo ilay nokapohinao, Ary ataony ambentin-dresaka ny fanaintainan\u2019ireo noratrainao.",
        "27": "Ampio heloka ny helok\u2019izy ireo, Ary enga anie izy ireo tsy handray soa amin\u2019ny fahamarinanao.",
        "28": "Aoka ny anarany hofafana tsy ho ao amin\u2019ny boky misy ny anaran\u2019ny velona, Ary enga anie izy ireo tsy ho anisan\u2019ny olo-marina.",
        "29": "Fa ory sy mijaly aho. Manana hery hamonjena ianao, Andriamanitra\u00a0\u00f4, ka enga anie izany hiaro ahy!",
        "30": "Hihira fiderana ho an\u2019ny anaran\u2019Andriamanitra aho, Ary hankalaza azy sady hisaotra azy.",
        "31": "Izany no ho tian\u2019i Jehovah kokoa noho ny ombilahy, Mihoatra noho ny vantotr\u2019ombilahy misy tandroka sy kitro.",
        "32": "Hahita an\u2019izany ny mpandefitra ka ho faly. Enga anie hatanjaka indray ny fonareo izay mitady an\u2019Andriamanitra!",
        "33": "Fa henoin\u2019i Jehovah ny mahantra, Ary tsy hataony tsinontsinona ny vahoakany lasa babo.",
        "34": "Aoka hidera azy ny lanitra sy ny tany, Ary ny ranomasina sy izay rehetra mihetsiketsika ao aminy.",
        "35": "Fa hamonjy an\u2019i Ziona Andriamanitra, Ary hanorina indray an\u2019ireo tan\u00e0nan\u2019i Joda. Dia hipetraka ao ny vahoakany, ka ho lasany ilay tany.",
        "36": "Handova an\u2019izany ny taranaky ny mpanompon\u2019Andriamanitra, Ary hipetraka ao ireo tia ny anarany."
    },
    "70": {
        "1": "Vonjeo aho, Andriamanitra\u00a0\u00f4! Jehovah\u00a0\u00f4, mba ampio haingana aho!",
        "2": "Enga anie izay mitady hamono ahy Mba ho menatra sy ho afa-baraka! Enga anie ireo faly amin\u2019ny fahavoazako Handositra sady ho menatra!",
        "3": "Enga anie izay miteny hoe: \u201cTsara ho azy izay!\u201d Hiverin-dalana sady ho menatra.",
        "4": "Fa aoka kosa izay mitady anao Hifaly sy hiravoravo aminao. Enga anie ireo tia ny asa famonjenao hilaza foana hoe: \u201cHankalazaina anie Andriamanitra!\u201d",
        "5": "Fa tsy misy mpiaro aho sady mahantra; Vonjeo haingana aho, Andriamanitra\u00a0\u00f4! Ianao no mpanampy sy mpanafaka ahy; Jehovah\u00a0\u00f4, aza ela loatra."
    },
    "71": {
        "1": "Ianao no ialofako, Jehovah\u00a0\u00f4! Enga anie aho tsy ho menatra mihitsy!",
        "2": "Manao ny marina ianao, ka vonjeo aho ary afaho. Aoka ianao hanongilan-tsofina hihaino ahy, ka hamonjy ahy.",
        "3": "Aoka ianao ho vatolampy fialofako, Ka ho azoko isitrihana foana. Manomeza baiko hamonjena ahy, Fa ianao no harambatoko sy manda fiarovana ho ahy.",
        "4": "Andriamanitro\u00a0\u00f4, vonjeo eo an-tanan\u2019ny ratsy fanahy aho, Dia eo am-pelatanan\u2019ny mpampijaly manao ny tsy rariny.",
        "5": "Fa ianao no antenaiko, ry\u00a0Jehovah Tompo Fara Tampony\u00a0\u00f4; Natoky anao aho hatramin\u2019izaho mbola tanora.",
        "6": "Niantehitra taminao aho hatramin\u2019ny nahaterahako; Ianao no namoaka ahy avy tao an-kibon\u2019i Neny. Midera anao foana aho.",
        "7": "Lasa toy ny zava-mahagaga ho an\u2019ny olona maro aho, Nefa ianao no fialofana mafy ho ahy.",
        "8": "Ny fiderana anao no mameno ny vavako; Manambara ny voninahitrao aho tontolo andro.",
        "9": "Aza ariana aho rehefa antitra; Aza afoy aho rehefa mihena ny heriko.",
        "10": "Miresaka zava-dratsy momba ahy ny fahavaloko, Ary miara-mikaon-doha ireo mifofo ny aiko,",
        "11": "Ka miteny hoe: \u201cEfa nafoin\u2019Andriamanitra izy. Enjeho izy dia sambory, fa tsy misy mpamonjy.\u201d",
        "12": "Aza mijanona lavitra ahy, Andriamanitra\u00a0\u00f4! Mba ampio haingana aho, ry Andriamanitro\u00a0\u00f4!",
        "13": "Enga anie ireo manohitra\u00a0ahy Ho menatra sy ho faty! Enga anie ireo mitady hanisy ratsy\u00a0ahy Ho tototry ny latsa sy ny fahafaham-baraka!",
        "14": "Fa izaho kosa mbola hiandry anao; Vao mainka aho hidera anao.",
        "15": "Ny vavako hitantara ny fahamarinanao, Sy hilaza isan\u2019andro ny asa famonjenao, Na dia maro loatra aza izy ireny ka tsy takatry ny saiko.",
        "16": "Ho avy hilaza ny asa nataonao tamin\u2019ny herinao aho, Ry Jehovah Tompo Fara Tampony\u00a0\u00f4! Hiresaka momba ny fahamarinanao aho, dia ny anao irery ihany.",
        "17": "Nampianatra ahy hatramin\u2019izaho mbola tanora ianao, Andriamanitra\u00a0\u00f4, Ary hatramin\u2019izao aho dia mbola manambara ny zavatra mahatalanjona ataonao.",
        "18": "Aza afoy aho, Andriamanitra\u00a0\u00f4, na dia efa antitra sy fotsy volo aza! Avelao aho hilaza momba ny herinao amin\u2019ny taranaka any aoriana, Ary hilaza momba ny tanjakao amin\u2019izay rehetra mbola ho avy.",
        "19": "Avo dia avo ny fahamarinanao, Andriamanitra\u00a0\u00f4! Miavaka ny zava-bitanao; Iza no hoatr\u2019anao, Andriamanitra\u00a0\u00f4?",
        "20": "Na dia nataonao nahita fahoriana sy loza maro aza aho, Dia mba ataovy velombelona indray; Ampiakaro avy any amin\u2019ny faritra lalina amin\u2019ny tany aho.",
        "21": "Enga anie ianao hampitombo ny voninahitro, Ary hanodidina ahy sy hampionona ahy!",
        "22": "Dia hidera anao amin\u2019ny zavamaneno fitendry aho, Satria tsy mivadika ianao, Andriamanitro\u00a0\u00f4! Hihira fiderana ho anao amin\u2019ny harpa aho, Ry Ilay Masin\u2019ny Israely\u00a0\u00f4!",
        "23": "Hihoby ny molotro rehefa mihira fiderana ho anao aho, Fa novonjenao ny aiko.",
        "24": "Hilaza momba ny fahamarinanao ny lelako, tontolo andro, Fa ho menatra sy ho afa-baraka izay mitady hamotika ahy."
    },
    "72": {
        "1": "Andriamanitra\u00a0\u00f4, omeo ny mpanjaka ny didim-pitsaranao, Ary ampahafantaro ny zanaky ny mpanjaka ny fitiavanao ny rariny.",
        "2": "Hotsarainy araka ny rariny anie ny vahoakanao, Ary hotsarainy araka ny hitsiny ny madinika!",
        "3": "Hitondra fiadanana ho an\u2019ny olona anie ny tendrombohitra, Ary hitondra fahamarinana ny havoana!",
        "4": "Aoka izy hiaro ny madinika eo amin\u2019ny vahoaka, Sy hamonjy ny zanaky ny mahantra, Ary hanorotoro ny mpanambaka.",
        "5": "Hatahotra anao ny vahoaka, raha mbola misy koa ny masoandro Ary raha mbola eo koa ny volana, Hatramin\u2019ny taranaka fara aman-dimby.",
        "6": "Ho toy ny orana milatsaka eo amin\u2019ny ahitra avy notapahina izy, Tahaka ny oram-be mandena ny tany.",
        "7": "Amin\u2019ny andro anjakany, dia ho be dia\u00a0be ny olo-marina, Ary ho be ny fiadanana mandra-paha tsy hisy volana intsony.",
        "8": "Hisy olom-peheziny hatrany amin\u2019ny ranomasina ka hatrany amin\u2019ny ranomasina, Ary hatrany amin\u2019ny Renirano ka hatrany amin\u2019ny faran\u2019ny tany.",
        "9": "Hiankohoka eo anatrehany ny mponina any an-tany efitra, Ary hilelaka vovoka ny fahavalony.",
        "10": "Handoa hetra ireo mpanjakan\u2019i Tarsisy sy ny mpanjakan\u2019ireo nosy. Ary hanolotra fanomezana ireo mpanjakan\u2019i Sheba sy ireo mpanjakan\u2019i Seba.",
        "11": "Hiankohoka eo anatrehany ny mpanjaka rehetra, Ary hanompo azy ny firenena rehetra.",
        "12": "Fa hovonjeny ny mahantra miantso vonjy, Sy ny madinika, ary izay rehetra tsy mba misy manampy.",
        "13": "Hiantra ny madinika sy ny mahantra izy, Ary hamonjy ny ain\u2019ny mahantra.",
        "14": "Hanafaka azy ireo amin\u2019ny fampahoriana sy ny herisetra izy, Ary ho sarobidy eo imasony ny ran\u2019izy ireo.",
        "15": "Ho ela velona anie izy, ka homena volamena avy any Sheba. Enga anie ka hisy hivavaka ho azy foana, Ary hotahina tontolo andro anie izy!",
        "16": "Hahavokatra be ny tany; Ho be dia be ny vokatra, na dia eny an-tampon-tendrombohitra aza. Hamokatra toy ny any Lib\u00e0na ny taniny, Ary hiroborobo toy ny zavamaniry amin\u2019ny tany ny olona ao an-tan\u00e0na.",
        "17": "Haharitra mandrakizay anie ny anarany, Ary hihamalaza anie izany raha mbola misy koa ny masoandro! Enga anie ny olona hahazo fitahiana amin\u2019ny alalany, Ary ny firenena rehetra hilaza hoe: \u201cSambatra izy!\u201d",
        "18": "Hoderaina anie i Jehovah Andriamanitra, ilay Andriamanitry ny Israely! Izy irery ihany no manao zava-mahagaga.",
        "19": "Hoderaina mandrakizay anie ny anarany be\u00a0voninahitra, Ary enga anie ny voninahiny hameno ny tany manontolo! Amena! Amena!",
        "20": "Mifarana eto ny vavak\u2019i Davida, zanak\u2019i Jese."
    },
    "73": {
        "1": "Tena manao soa amin\u2019ny Israely Andriamanitra, dia amin\u2019izay madio\u00a0fo.",
        "2": "Izaho kosa saika nivily lalana; Saika nibolisatra ny tongotro.",
        "3": "Fa nitsiriritra ny mpirehareha aho, Rehefa nahita ny fiadanan\u2019ny ratsy fanahy.",
        "4": "Tsy mba mijalijaly mantsy izy ireny rehefa ho faty; Salama tsara er\u1ef3 izy.",
        "5": "Tsy mba sahirana toy ny olon-kafa ireny, Na mijaly hoatran\u2019ny olona sasany.",
        "6": "Koa ny fireharehana no rojo iambozonany, Ary ny herisetra no akanjo anaovany.",
        "7": "Bongon\u2019ny tavy ny masony. Mihoatra noho izay nokasainy tao am-pony ny zava-bitany.",
        "8": "Maneso sy miresaka zava-dratsy ireny. Mandrahona ny hampijaly olona ireny sady mizahozaho er\u1ef3.",
        "9": "Hita amin\u2019ny resaka ataony hoe ambony hoatran\u2019ny lanitra no fiheverany ny tenany, Ary mirehareha er\u1ef3 ny lelany mandehandeha mitety ny tany.",
        "10": "Koa lasa mankany amin\u2019izy ireny ny vahoakan\u2019Andriamanitra, Ka misotro amin\u2019ny rano be dia\u00a0be ananany.",
        "11": "Milaza izy ireo hoe: \u201cAhoana moa no ahalalan\u2019Andriamanitra an\u2019izany? Angaha moa ilay Avo Indrindra tena mahalala an\u2019izay mitranga?\u201d",
        "12": "Hoatr\u2019izany ny ratsy fanahy! Mandeha tsara foana ny fiainany. Ampitomboiny foana ny harenany.",
        "13": "Very maina fotsiny ny ezaka nataoko mba hananana fo\u00a0madio foana, Sy ny nanasako ny tanako mba ho porofo fa tsy manan-tsiny aho.",
        "14": "Nahita olana aho tontolo andro, Ary nofaizina isa-maraina.",
        "15": "Raha niresaka an\u2019izany zavatra izany anefa aho, Dia ho nivadika tamin\u2019ny vahoakanao.",
        "16": "Rehefa niezaka hahatakatra an\u2019izany aho, Dia nikorontana ny saiko",
        "17": "Mandra-piditro tao amin\u2019ny toerana masin\u2019Andriamanitra, Ka nahafantarako ny hoavin\u2019izy ireny.",
        "18": "Apetrakao eo amin\u2019ny toerana malama tokoa izy ireny. Ataonao izay hahalavo azy mba ho ringana izy.",
        "19": "Tampoka teo dia ringana izy ireny! Mifarana tampoka ny fiainany sady loza no iafarany.",
        "20": "Toy ny hanadinoana ny nofy rehefa mifoha, Jehovah\u00a0\u00f4, No hanesoranao azy rehefa mifoha ianao.",
        "21": "Fa sosotra aho tao am-poko tao, Ary nanaintaina mafy tany anatiko tany.",
        "22": "Tsy nieritreritra aho sady tsy nahira-tsaina; Toy ny biby tsy misaina aho teo anatrehanao.",
        "23": "Eo aminao foana anefa aho izao; Nandray ny tanako ankavanana ianao.",
        "24": "Ny torohevitrao no itarihanao ahy, Ary homenao voninahitra aho avy\u00a0eo.",
        "25": "Manana an\u2019iza moa aho any an-danitra? Ary tsy misy na inona na inona iriko eto an-tany, afa-tsy ianao.",
        "26": "Mety hihareraka ny vatako sy ny foko, Fa Andriamanitra kosa no vatolampin\u2019ny foko sy anjarako mandrakizay.",
        "27": "Ho ripaka tokoa izay manalavitra anao. Haringanao izay mivadika aminao ka miala aminao.",
        "28": "Fa izaho kosa, ny manakaiky an\u2019Andriamanitra no tsara amiko. I Jehovah Tompo Fara Tampony no ataoko fialofako, Mba hanambarako ny zavatra rehetra ataony."
    },
    "74": {
        "1": "Nahoana no dia nolavinao mandrakizay izahay, Andriamanitra\u00a0\u00f4? Nahoana ianao no tezitra\u00a0be amin\u2019ny ondry ao amin\u2019ny kijananao?",
        "2": "Tsarovy ilay vahoaka efa nofidinao hatry ny ela, Dia ilay foko navotanao ho lovanao. Tsarovy ny Tendrombohitra Ziona, ilay toerana ipetrahanao.",
        "3": "Mankanesa any amin\u2019ilay toerana rava tanteraka. Nosimban\u2019ny fahavalo ny zava-drehetra tao amin\u2019ny toerana masina.",
        "4": "Nierona tao amin\u2019ny toerana fihaonana aminao ny fahavalonao. Natsangan\u2019izy ireo tao ny saina keliny, mba ho famantarana.",
        "5": "Toy ny olona manainga famaky hikapa ala mikitroka izy ireo.",
        "6": "Nopotipotehiny tamin\u2019ny famaky sy bara\u00a0vy daholo ny asa sokitra tao.",
        "7": "Nodoran\u2019izy ireo ny toeranao masina, Nozimbazimbainy ny tranolay mitondra ny anaranao ka natsipiny tamin\u2019ny tany.",
        "8": "Samy miteny any am-pony any izy ireo sy ny zanany hoe: \u201cHodorana daholo izay toerana fihaonana amin\u2019Andriamanitra, eto amin\u2019ity tany ity.\u201d",
        "9": "Tsy mahita an\u2019ireo famantarana natao ho anay intsony izahay; Tsy misy mpaminany intsony koa, Ary tsy misy aminay mahalala hoe haharitra hafiriana izany.",
        "10": "Andriamanitra\u00a0\u00f4, mandra-pahoviana no mbola haneso anao ny mpanohitra anao? Tsy hanaja ny anaranao mandrakizay ve ny fahavalo?",
        "11": "Nahoana no ahemotrao indray ny tananao, dia ny tananao ankavanana? Avoahy avy ao an-tratranao ny tananao, dia aringano izy ireo.",
        "12": "Andriamanitra anefa no Mpanjakako efa hatry ny ela\u00a0be; Izy ilay manao asa famonjena eto an-tany.",
        "13": "Nataonao nisamboaravoara ny ranomasina noho ny herinao; Nopotipotehinao ny lohan\u2019ny biby ngezabe any an-dranomasina.",
        "14": "Notorotoroinao ny lohan\u2019ny Leviatana; Nomenao hohanin\u2019ny olona monina any an-tany efitra izy.",
        "15": "Nanokatra lalana hivoahan\u2019ny loharano sy ny renirano ianao, Ary nataonao ritra ny renirano tsy mbola ritra mihitsy.",
        "16": "Anao ny andro, ary anao koa ny alina. Namorona ny hazavana sy ny masoandro ianao.",
        "17": "Nasianao fetrany ny faritra rehetra eto an-tany, Ary nanao ny fahavaratra sy ny ririnina ianao.",
        "18": "Tadidio ny esoeson\u2019ny fahavalo, Jehovah\u00a0\u00f4! Tena tsy manaja ny anaranao ny olona adala!",
        "19": "Aza omena ny bibidia ny ain\u2019ny domohinanao, Ary aza hadinoina mandrakizay ny ain\u2019ny vahoakanao mijaly.",
        "20": "Tsarovy ilay fifanekena, Fa lasa anjakan\u2019ny herisetra ny toerana maizina eto an-tany.",
        "21": "Enga anie izay ampahorina mba tsy ho diso fanantenana rehefa lasa; Hidera ny anaranao anie ny madinika sy ny mahantra!",
        "22": "Mitsang\u00e0na, Andriamanitra\u00a0\u00f4, aoka ianao hiaro tena eny amin\u2019ny fitsarana. Tsarovy fa manesoeso anao tontolo andro ny olona adala.",
        "23": "Aza hadinoina izay lazain\u2019ny fahavalonao. Miakatra tsy an-kiato ny tabataban\u2019ireo mila ady aminao."
    },
    "75": {
        "1": "Misaotra anao izahay, Andriamanitra\u00a0\u00f4! Misaotra anao izahay; Akaiky anay ianao, Ary manambara ny zavatra mahagaga nataonao ny olona.",
        "2": "Hoy ianao: \u201cRehefa avy mifidy fotoana hitsarana aho, Dia hitsara araka ny rariny.",
        "3": "Rehefa nihorohoro ny tany sy ny mponina rehetra teo aminy, Dia izaho no nanao izay hahamafy orina ny andrin\u2019ny tany.\u201d ( Sela )",
        "4": "Hoy aho amin\u2019ny mpirehareha: \u201cAza mirehareha\u201d, Ary amin\u2019ny ratsy fanahy: \u201cAza mieboebo satria hoe mahery ianareo.",
        "5": "Aza mieboebo be satria hoe mahery ianareo, Ary aza mirehareha rehefa miteny.",
        "6": "Fa tsy avy any atsinanana na avy any andrefana Na avy any atsimo ny voninahitra.",
        "7": "Andriamanitra mantsy no Mpitsara. Aetriny ny olona iray ary asandrany ny iray.",
        "8": "Fa misy kaopy eny an-tanan\u2019i Jehovah, Ary divay mandroatra sy mahery\u00a0be no ao anatiny. Tena hararany izany, Ka hisotro an\u2019ilay izy hatramin\u2019ny faikany ny ratsy fanahy rehetra eto an-tany.\u201d",
        "9": "Fa izaho kosa hanambara an\u2019izany mandrakizay; Hihira fiderana ho an\u2019ny Andriamanitr\u2019i Jakoba aho.",
        "10": "Hoy mantsy izy: \u201cHataoko tsy manan-kery intsony ny ratsy fanahy, Fa hampitomboina kosa ny herin\u2019ny olo-marina."
    },
    "76": {
        "1": "Fantatry ny mponina ao Joda Andriamanitra, Ary malaza ny anarany eo amin\u2019ny Israely.",
        "2": "Ao Salema ny tranolainy, Ary ao Ziona ny fonenany.",
        "3": "Tao izy no nanapatapaka ny zana-tsip\u00ecka mirehitra, Ny ampinga, ny sabatra, ary ny fitaovam-piadiana hafa. ( Sela )",
        "4": "Mamirapiratra be ianao; Mbola manerinerina kokoa noho ny tendrombohitra fihazana remby ianao.",
        "5": "Voaroba ireo be\u00a0herim-po. Resin-tory izy ireo; Tsy misy mpiaro ny miaramila rehetra.",
        "6": "Ry Andriamanitr\u2019i Jakoba\u00a0\u00f4, noho ny teny henjana nolazainao, Dia samy renoky ny torimaso ny mpitondra kalesy sy ny soavaly.",
        "7": "Ianao irery no mendrika hatahorana. Iza no mahazaka ny hatezeranao rehefa tezitra\u00a0be ianao?",
        "8": "Avy tany an-danitra ianao no nanambara didim-pitsarana; Natahotra ny tany ka nangina",
        "9": "Rehefa nitsangana hampihatra didim-pitsarana Andriamanitra, Mba hamonjena ny mpandefitra rehetra eto an-tany. ( Sela )",
        "10": "Fa hitondra dera ho anao ny fahatezeran\u2019ny olona; Hataonao firavaka eny aminao ny fahatezerana sisa tavela ao amin\u2019izy ireo.",
        "11": "Manaova voady amin\u2019i Jehovah Andriamanitrareo ary efao izany, Aoka izay rehetra manodidina azy hitondra fanomezana amin-tahotra.",
        "12": "Hataony tsinontsinona ny fireharehan\u2019ny mpitarika; Ataony matahotra azy ny mpanjakan\u2019ny tany."
    },
    "77": {
        "1": "Hanandratra ny feoko hiantso an\u2019Andriamanitra aho; Andriamanitra no hantsoiko, dia hihaino ahy izy.",
        "2": "Mitady an\u2019i Jehovah aho rehefa ao anatin\u2019ny sarotra. Tsy mitsahatra mivavaka aho mandritra ny alina. Tsy mety ampiononina aho.",
        "3": "Mitaraindraina aho rehefa mahatsiaro an\u2019Andriamanitra; Sahiran-tsaina aho sady lasa kely ny heriko. ( Sela )",
        "4": "Tazoninao tsy hikimpy ny hodi-masoko; Mitebiteby mafy aho, ka tsy mahateny.",
        "5": "Mamisavisa ny andro taloha aho, Dia ireo taona lasa efa ela\u00a0be.",
        "6": "Mitamberina ato an-tsaiko ny hirako rehefa alina; Mandinika ato am-poko aho, Ary mamakafaka tsara.",
        "7": "Dia hanary anay mandrakizay ve i Jehovah? Tsy hiantra anay intsony ve izy?",
        "8": "Tsy haneho fitiavana sy tsy fivadihana intsony ve izy mandrakizay? Dia tsy hisy taranaka hahita ve hoe tanteraka ny fampanantenany?",
        "9": "Hadinon\u2019Andriamanitra ve ny niantra anay, Sa tezitra izy dia tsy namindra fo intsony? ( Sela )",
        "10": "Dia hiteny foana ve aho hoe: \u201cIzao no mampalahelo ahy: Nanova ny fomba itondrany anay ilay Avo Indrindra\u201d?",
        "11": "Hotsaroako ny zavatra nataon\u2019i Jah; Hotsaroako ny zavatra mahagaga nataonao taloha ela\u00a0be.",
        "12": "Dia hosaintsainiko ny asanao rehetra, Ary hoeritreretiko tsara ny zavatra nataonao.",
        "13": "Masina ny lalanao, Andriamanitra\u00a0\u00f4! Iza no andriamanitra lehibe hoatr\u2019anao, Andriamanitra\u00a0\u00f4?",
        "14": "Ianao no tena Andriamanitra, izay manao zava-mahagaga. Nasehonao an\u2019ireo firenena ny tanjakao.",
        "15": "Nampiasa ny herinao ianao mba hamonjena ny vahoakanao, Dia ny taranak\u2019i Jakoba sy ny taranak\u2019i Josefa. ( Sela )",
        "16": "Nahita anao ny rano, Andriamanitra\u00a0\u00f4! Nahita anao ny rano ka nanonjanonja, Ary lasa nisamboaravoara ny rano lalina.",
        "17": "Nandrotsaka orana ny rahona. Nikotrokotroka ny lanitra feno rahona, Ary nisidina teny rehetra teny ny zana-tsip\u00eckanao.",
        "18": "Toy ny feona kodiarana kalesy ny feon\u2019ny kotroka nalefanao; Nanazava ny tany misy mponina ny tselatra; Nihorohoro sy nihovotrovotra ny tany.",
        "19": "Namakivaky ranomasina ianao, Ary nandeha teny amin\u2019ny rano\u00a0be. Tsy nisy nahita anefa ny dian-tongotrao.",
        "20": "Notarihinao toy ny andian\u2019ondry ny vahoakanao, Tamin\u2019ny alalan\u2019i Mosesy sy Arona."
    },
    "78": {
        "1": "Henoy ny lal\u00e0ko, ry\u00a0vahoakako. Aoka ianareo hanongilan-tsofina hihaino ny teny lazain\u2019ny vavako.",
        "2": "Hanao ohabolana aho, Ary hilaza teny saro-pantarina izay efa nolazaina hatry ny ela.",
        "3": "Ny zavatra renay sy fantatray, Izay notantarain\u2019ny razambenay taminay,",
        "4": "Dia tsy hafeninay amin\u2019ny taranak\u2019izy ireo; Hotantarainay amin\u2019ny taranaka ho\u00a0avy Ny asa mendri-piderana nataon\u2019i Jehovah sy ny heriny, Dia ny zava-mahagaga nataony.",
        "5": "Nomeny fampahatsiahivana i Jakoba Ary nasiany lal\u00e0na teo amin\u2019ny Israely; Nomeny baiko ny razambenay, Mba hampahafantatra an\u2019izany amin\u2019ny zanak\u2019izy ireo.",
        "6": "Amin\u2019izay dia hahalala an\u2019izany ny zaza mbola hateraka, Dia ny taranaka any aoriana. Izy ireo indray avy eo no hitantara izany amin\u2019ny zanany.",
        "7": "Dia hatoky an\u2019Andriamanitra izy ireo. Tsy hanadino ny asan\u2019Andriamanitra izy ireo, Fa hitandrina ny didiny.",
        "8": "Amin\u2019izay izy ireo tsy ho hoatran\u2019ny razambeny, Izay taranaka mafy loha sy mpikomy, Dia taranaka niovaova hevitra, Sady nivadika tamin\u2019Andriamanitra.",
        "9": "Nitondra tsip\u00ecka ny Efraimita, Nefa nandositra tamin\u2019ny andro nisian\u2019ny ady.",
        "10": "Tsy nohajain\u2019izy ireo ny fifanekena nataon\u2019Andriamanitra, Ary tsy nety nankat\u00f2 ny lal\u00e0ny izy ireo.",
        "11": "Hadinony koa izay nataon\u2019Andriamanitra, Dia ny zavatra mahatalanjona nasehony azy ireo.",
        "12": "Nanao zava-mahagaga teo anatrehan\u2019ny razamben\u2019izy ireo izy Tany Ejipta, tao amin\u2019ny faritr\u2019i Zoana.",
        "13": "Nosarahiny ny ranomasina mba hiampitan\u2019izy ireo, Ary nataony toy ny tohodrano avo\u00a0be ny rano.",
        "14": "Nitarika azy ireo tamin\u2019ny alalan\u2019ny rahona izy nandritra ny andro, Ary tamin\u2019ny hazavana avy amin\u2019ny afo nandritra ny alina.",
        "15": "Nampitresaka vatolampy tany an-tany efitra izy, Ka namela azy ireo hanaram-po hisotro rano, toy ny hoe nisotro avy tamin\u2019ny rano lalina.",
        "16": "Namoaka rano avy tamin\u2019ny harambato izy, Ka nataony nikoriana hoatran\u2019ny renirano ilay rano.",
        "17": "Mbola nanota taminy ihany anefa izy ireo, Ka nikomy tamin\u2019ny Avo Indrindra, tany an-tany efitra;",
        "18": "Nitsapa an\u2019Andriamanitra tao am-pony izy ireo, Ka nitaky an\u2019izay sakafo tena tiany hohanina.",
        "19": "Nanakiana an\u2019Andriamanitra \u00e0ry izy ireo, Ka niteny hoe: \u201cAndriamanitra ve dia hahavita hanome sakafo ho anay at\u1ef3 an-tany efitra?\u201d",
        "20": "Nokapohiny ny vatolampy, Dia nisy rano nikoriana sy rano\u00a0be nisasasasa avy tao. \u201cMahavita manome mofo ho anay koa ve izy, Na manome hena ho an\u2019ny vahoakany?\u201d",
        "21": "Tezitra be i Jehovah rehefa naheno azy ireo; Nandefa afo hanafaizana an\u2019i Jakoba\u00a0izy Ary nisafoaka tamin\u2019i Israely,",
        "22": "Satria tsy nino an\u2019Andriamanitra izy ireo; Tsy natoky izy ireo hoe mahavita mamonjy azy izy.",
        "23": "Nobaikoiny \u00e0ry ny lanitra feno rahona eny ambony, Ary nosokafany ny varavaran\u2019ny lanitra.",
        "24": "Nandrotsaka mana foana izy mba hohanin\u2019izy ireo; Nomeny sakafo avy any an-danitra izy ireo.",
        "25": "Nihinana ny mofon\u2019ireo mahery ny olona; Nomeny sakafo nahavoky tsara azy izy ireo.",
        "26": "Nataony nitsoka teny amin\u2019ny lanitra ny rivotra avy any atsinanana, Ary nampiasa ny heriny izy mba hisian\u2019ny rivotra avy any atsimo.",
        "27": "Dia nandatsahany hena be dia\u00a0be toy ny vovoka izy ireo, Dia vorona maro be toy ny fasika eny amoron-dranomasina.",
        "28": "Nalatsany tao amin\u2019ny tobiny ireny, Nanodidina ny tranolainy.",
        "29": "Dia nihinana izy ireo ary nambosibosika; Nomeny azy ireo izay niriny.",
        "30": "Mbola tsy tena afa-po akory anefa izy ireo, Sady mbola tao am-bavany ny sakafony,",
        "31": "Dia nisafoaka tamin\u2019izy ireo Andriamanitra. Novonoiny ho faty ny lehilahy matanjaka indrindra tamin\u2019izy ireo; Naripany ny tovolahy teo amin\u2019ny Israely.",
        "32": "Na teo aza izany, dia vao mainka izy ireo nanota, Ka tsy nino ny zavatra mahatalanjona nataony.",
        "33": "Koa nataony nanjavona toy ny fofonaina ny andron\u2019izy ireo, Ary nofaranany tao anaty horohoro tampoka ny taonan\u2019izy ireo.",
        "34": "Isaky ny nandringana ny sasany taminy anefa izy, dia nitady azy izy ireo; Niverina izy ireo ary nitady an\u2019Andriamanitra;",
        "35": "Tsaroany fa Andriamanitra no Vatolampiny, Ary ilay Andriamanitra Avo Indrindra no Mpanavotra azy.",
        "36": "Nitady hamitaka azy tamin\u2019ny teniny anefa izy ireo, Ary nandainga taminy.",
        "37": "Tsy nifikitra taminy ny fon\u2019izy ireo; Nivadika tamin\u2019ny fifanekena nataony taminy koa izy ireo.",
        "38": "Namindra fo anefa izy; Namela ny fahadisoan\u2019izy ireo izy, ka tsy nandringana azy. Matetika izy no nifehy ny hatezerany, Fa tsy nisafoaka\u00a0be.",
        "39": "Tsaroany mantsy fa nofo ihany izy ireo, Toy ny rivotra mandalo dia tsy miverina intsony.",
        "40": "Impiry impiry moa izy ireo no nikomy taminy tany an-tany efitra, Sy nandratra ny fony tany amin\u2019ny tany karakaina!",
        "41": "Imbetsaka izy ireo no nitsapa an\u2019Andriamanitra, Ka nanao izay nampalahelo an\u2019Ilay Masin\u2019ny Israely.",
        "42": "Nohadinoin\u2019izy ireo ny herin\u2019Andriamanitra, Dia ny andro namonjeny azy tamin\u2019ny fahavalo,",
        "43": "Ny famantarana nataony tany Ejipta, Sy ny fahagagana nataony tao amin\u2019ny faritr\u2019i Zoana,",
        "44": "Ary ny nanovany an\u2019ireo lakandranon\u2019i Neily ho lasa ra, Ka tsy afaka nisotro avy tamin\u2019ny reniranony izy ireo.",
        "45": "Nandefasany andiana fihitra izy ireo mba hanaikitra azy, Ary sahona mba hanimba ny taniny.",
        "46": "Nomeny hohanin\u2019ny valala mirangorango ny vokatry ny tanin\u2019izy ireo; Nomeny hohanin\u2019ny andiam-balala izay nisasarany.",
        "47": "Nataony simban\u2019ny havandra ny voalobony, Ary potiky ny havandra ny aviavidia teo amin\u2019ny taniny.",
        "48": "Nataony matin\u2019ny havandra ny bibiny mpitondra entana, Ary nandatsahany varatra ny biby fiompiny.",
        "49": "Nampariny tamin\u2019izy ireo ny hatezerany, Dia fisafoahana sy fahavinirana ary fampahoriana. Naniraka anjely be dia be hitondra loza izy.",
        "50": "Nanamboatra lalana ho an\u2019ny hatezerany izy. Tsy niaro azy ireo tsy ho faty izy, Ary namely azy ireo tamin\u2019ny areti-mandringana.",
        "51": "Naripany daholo ny lahimatoa tany Ejipta tamin\u2019ny farany, Dia ireo nateraka voalohany tao amin\u2019ny tranolain\u2019i Hama.",
        "52": "Nentiny nivoaka an\u2019i Ejipta toy ny andian\u2019ondry ny vahoakany avy\u00a0eo, Ka notarihiny toy ny andiam-biby tany an-tany efitra.",
        "53": "Notarihiny izy ireo ary nataony tsy nanana ahiahy, Ka tsy natahotra. Nosaronan\u2019ny ranomasina ny fahavalon\u2019izy ireo.",
        "54": "Ary nentiny tany amin\u2019ny taniny masina izy ireo, Dia ilay faritra be\u00a0tendrombohitra azon\u2019ny tanany ankavanana.",
        "55": "Noroahiny hiala teo anatrehan\u2019izy ireo ny firenena; Nizara lova ho azy ireo izy, ka nampiasa tady fandrefesana; Dia napetrany tao amin\u2019ny tranony avy ny fokon\u2019ny Israely.",
        "56": "Nitsapa an\u2019ilay Andriamanitra Avo Indrindra foana anefa izy ireo sady nikomy taminy; Tsy noraharahian\u2019izy ireo ny fampahatsiahivany.",
        "57": "Niala taminy koa izy ireo sady nivadika toy ny razambeny. Tsy azo nianteherana hoatran\u2019ny tsip\u00ecka migoragora izy ireo.",
        "58": "Nampahatezitra azy foana izy ireo noho ny toerana avo naoriny, Ary nampisafoaka azy noho ny sary sokitra nivavahany.",
        "59": "Nahare an\u2019izany Andriamanitra ka nisafoaka, Dia nolaviny tanteraka ny Israely.",
        "60": "Nafoiny ilay tranolay masina tao Silo tamin\u2019ny farany, Dia ilay tranolay nonenany teo amin\u2019ny olona.",
        "61": "Navelany hoentina ho babo ilay famantarana ny heriny; Navelany ho lasan\u2019ny fahavalo ny voninahiny.",
        "62": "Natolony ho fatin\u2019ny sabatra ny vahoakany, Ary nisafoaka tamin\u2019ny lovany izy.",
        "63": "Kilan\u2019ny afo ny tovolahiny, Ary tsy mba nanaovana hira amin\u2019ny fampakaram-bady ny virjiny teo aminy.",
        "64": "Matin\u2019ny sabatra ny mpisorony, Ary tsy nitomany ny mpitondratenany.",
        "65": "Dia nifoha i Jehovah, toy ny hoe avy natory, Hoatran\u2019ny lehilahy matanjaka izay nifoha rehefa nisava ny divay nosotroiny.",
        "66": "Ary noroahiny niverina ny fahavalony; Nataony afa-baraka mandrakizay izy ireo.",
        "67": "Nolaviny ny tranolain\u2019i Josefa; Tsy nofidiny ny fokon\u2019i Efraima.",
        "68": "Fa ny fokon\u2019i Joda no nofidiny, Dia ny Tendrombohitra Ziona, izay tiany.",
        "69": "Nataony maharitra toy ny lanitra ny toerany masina, Toy ny tany izay nataony mafy\u00a0orina mandrakizay.",
        "70": "Nifidy an\u2019i Davida mpanompony izy, Ka naka azy avy tany amin\u2019ny valan\u2019ondry,",
        "71": "Teny am-piandrasana ondrivavy mampinono; Notendreny ho mpiandry an\u2019i Jakoba vahoakany izy Sy ho mpiandry an\u2019i Israely lovany.",
        "72": "Niandry azy ireo tamin\u2019ny fo mahitsy izy, Ary hainy tsara ny nitarika azy ireo."
    },
    "79": {
        "1": "Nidiran\u2019ireo firenena ny lovanao, Andriamanitra\u00a0\u00f4! Nolotoiny ny tempolinao masina, Ary nataony korontam-bato mivangongo i Jerosalema.",
        "2": "Nomen\u2019izy ireo ho sakafon\u2019ny voro-manidina ny fatin\u2019ny mpanomponao, Ary ho an\u2019ny bibidia ny nofon\u2019ireo tsy mivadika aminao.",
        "3": "Nataony nandriaka toy ny rano eran\u2019i Jerosalema ny ran\u2019izy ireo, Ary tsy misy olona tavela mba handevina azy.",
        "4": "Nataon\u2019ny mpiara-monina aminay afa-baraka izahay; Maneso sy manaraby anay ny manodidina anay.",
        "5": "Mandra-pahoviana ianao no mbola ho tezitra\u00a0be, Jehovah\u00a0\u00f4? Mandrakizay ve? Mandra-pahoviana no hirehitra toy ny afo ny fahatezeranao?",
        "6": "Anamparo ny hatezeranao ireo firenena tsy mahalala anao, Sy ireo fanjakana tsy miantso ny anaranao.",
        "7": "Fa naripak\u2019izy ireo i Jakoba, Ary noravany ny taniny.",
        "8": "Aza atao ampamoaka noho ny fahadisoan\u2019ny razambenay izahay. Mba amindrao fo haingana re izahay\u00a0e, Fa nambanina tanteraka!",
        "9": "Ry Andriamanitra mpamonjy anay\u00a0\u00f4, ampio izahay Noho ny anaranao be\u00a0voninahitra; Vonjeo izahay ary avelao ny fahotanay, noho ny anaranao.",
        "10": "Nahoana ireo firenena no dia hilaza hoe: \u201cAiza izay mba Andriamanitr\u2019ireo?\u201d Enga anie ho hitan\u2019ny masonay sy ho fantatr\u2019ireo firenena Fa mamaly ny ran\u2019ny mpanomponao ianao!",
        "11": "Ho henonao anie ny senton\u2019ny voafonja! Ampiasao ny herinao lehibe mba hitsimbinana ny ain\u2019ireo voaheloka ho faty.",
        "12": "Valio avo fito heny ny mpiara-monina aminay, Fa manaratsy anao izy ireo, Jehovah\u00a0\u00f4!",
        "13": "Dia hisaotra anao mandrakizay Izahay vahoakanao sy ondry ao amin\u2019ny kijananao, Ary hidera anao hatramin\u2019ny taranaka fara aman-dimby."
    },
    "80": {
        "1": "Mihainoa, ry\u00a0Mpiandry ny Israely\u00a0\u00f4, Dia ianao izay mitarika an\u2019i Josefa toy ny fitarika andian\u2019ondry. Mamirapirata, Ry ilay mipetraka eo amin\u2019ny seza fiandrianana eo ambonin\u2019ny kerobima\u00a0\u00f4!",
        "2": "Asehoy ny herinao Eo anatrehan\u2019i Efraima sy Benjamina ary Manase; Tongava mamonjy anay.",
        "3": "Ataovy lasa hoatran\u2019ny taloha indray izahay, Andriamanitra\u00a0\u00f4! Aoka ianao ho miramirana aminay, mba ho voavonjy izahay.",
        "4": "Ry Jehovah Andriamanitry ny tafika\u00a0\u00f4, mandra-pahoviana no hampahatezitra anao ny vavaky ny vahoakanao?",
        "5": "Ranomaso no ataonao sakafony, Ary ranomaso havozona no ampisotroinao azy.",
        "6": "Avelanao hifandroritan\u2019ny manodidina izahay; Maneso anay foana ny fahavalonay isaky ny te hanao an\u2019izany.",
        "7": "Ataovy lasa hoatran\u2019ny taloha indray izahay, ry\u00a0Andriamanitry ny tafika\u00a0\u00f4! Aoka ianao ho miramirana aminay, mba ho voavonjy izahay.",
        "8": "Nisy voaloboka nafindranao avy tany Ejipta. Noroahinao ireo firenena, dia nambolenao ilay voaloboka.",
        "9": "Nodiovinao ny toerana hambolenao azy, Ka namaka izy io ary nameno an\u2019ilay tany.",
        "10": "Nanarona an\u2019ireo tendrombohitra ny alokalony, Ary nandrakotra an\u2019ireo hazo sederan\u2019Andriamanitra ny sampany.",
        "11": "Nisandrahaka hatrany amin\u2019ny ranomasina ny sampany, Ary hatrany amin\u2019ny Renirano ny rantsany.",
        "12": "Nahoana no noravanao ny fefy vato manodidina an\u2019ilay tanimboaloboka, Ka mioty ny voany izay rehetra mandalo?",
        "13": "Trongitrongisin\u2019ny lambo avy any an\u2019ala ilay izy, Ary hohanin\u2019ny bibidia avy any an-tsaha.",
        "14": "Miverena re, ry\u00a0Andriamanitry ny tafika\u00a0\u00f4! Mijere avy any an-danitra! Karakarao ity voaloboka ity,",
        "15": "Dia ilay foto-boaloboka nambolen\u2019ny tananao ankavanana, Ary tsinjovy ilay solofony izay nohatanjahinao ho anao.",
        "16": "Kilan\u2019ny afo ilay izy sady voakapa. Ringana izy ireo noho ny anatra mafy nataonao.",
        "17": "Ny tananao anie hanohana an\u2019ilay olona eo an-tananao ankavanana, Dia ilay zanak\u2019olona nohatanjahinao ho anao!",
        "18": "Amin\u2019izay dia tsy hiala aminao izahay. Tsimbino ny ainay mba hiantsoanay ny anaranao.",
        "19": "Ataovy lasa hoatran\u2019ny taloha indray izahay, ry\u00a0Jehovah Andriamanitry ny tafika\u00a0\u00f4! Aoka ianao ho miramirana aminay, mba ho voavonjy izahay."
    },
    "81": {
        "1": "Mihobia an\u2019Andriamanitra fa izy no herintsika. Manaova horakora-pandresena ho an\u2019ny Andriamanitr\u2019i Jakoba.",
        "2": "Mitendre mozika, ary mak\u00e0 ampongatapaka Sy harpa mamoaka feo mahafinaritra ary zavamaneno fitendry.",
        "3": "Tsofy ny anjombona rehefa tsinam-bolana Sy rehefa fenomanana, fa fety ny andro.",
        "4": "Didy nomena ny Israely mantsy izany, Fitsipika avy amin\u2019ilay Andriamanitr\u2019i Jakoba.",
        "5": "Nomeny ho fampahatsiahivana an\u2019i Josefa izany, Tamin\u2019izy nivoaka mba hamely an\u2019i Ejipta. Naheno feo tsy fantatro aho, nilaza hoe:",
        "6": "\u201cNesoriko teo an-tsorony ny enta-mavesatra; Tsy nampitondraina sobika intsony ny tanany.",
        "7": "Niantso ianao rehefa tao anatin\u2019ny sarotra, dia namonjy anao aho; Namaly anao tao anaty rahona mainty aho, Ary nitsapa toetra anao teo amin\u2019ny rano tao Meriba. ( Sela )",
        "8": "Mihainoa, ry vahoakako, fa hijoro ho vavolombelona hiampanga anao aho. Ry Israely\u00a0\u00f4, raha mba nihaino ahy mantsy ianao,",
        "9": "Dia tsy ho nisy andriamani-kafa teo aminao, Ary tsy ho niankohoka tamin\u2019ny andriamanitry ny firenen-kafa ianao.",
        "10": "Izaho Jehovah no Andriamanitrao, Ilay nitondra anao nivoaka avy tany Ejipta. Sokafy mitanatana ny vavanao fa hofenoiko.",
        "11": "Tsy nihaino ny teniko anefa ny vahoakako; Tsy nankat\u00f2 ahy ny Israely.",
        "12": "Koa navelako hanaraka ny ditran\u2019ny fony izy; Nanao izay saim-pantany izy ireo.",
        "13": "Raha mba nihaino ahy mantsy ny vahoakako, Raha mba nandeha tamin\u2019ny lalana natoroko mantsy ny Israely,",
        "14": "Dia ho nataoko vetivety dia resy ny fahavalony; Ho namely an\u2019ireo nanohitra azy ny tanako.",
        "15": "Hatahotra ireo mankahala an\u2019i Jehovah rehefa eo anatrehany, Ary haharitra mandrakizay ny loza hanjo azy.",
        "16": "Homeny varimbazaha faran\u2019izay tsara kosa ianao mba hohaninao, Ary hataony voky tantely avy ao amin\u2019ny vatolampy.\u201d"
    },
    "82": {
        "1": "Maka ny toerany Andriamanitra eo amin\u2019ny fivorian\u2019ireo andriamanitra; Eo afovoan\u2019ireo andriamanitra Izy no mitsara, ka milaza hoe:",
        "2": "\u201cMandra-pahoviana ianareo no hanao ny tsy rariny rehefa mitsara, Na hiangatra amin\u2019ny ratsy fanahy? ( Sela )",
        "3": "Arovy ny madinika sy ny kamboty ray. Omeo rariny ny olona tsy misy mpiaro sy ny tsy manana na inona na inona.",
        "4": "Afaho ny madinika sy ny mahantra, Ka vonjeo eo an-tanan\u2019ny ratsy fanahy.\u201d",
        "5": "Sady tsy mahalala izy ireo no tsy mahatakatra na inona na inona; Mitsapatsapa ao anaty haizina izy ireo; Voahozongozona daholo ny fototry ny tany.",
        "6": "\u201cNiteny aho hoe \u2018andriamanitra ianareo, Zanak\u2019ilay Avo Indrindra ianareo rehetra.",
        "7": "Ho faty toy ny olon-drehetra ihany anefa ianareo, Ary ho lavo toy ny andriana hafa rehetra!\u2019\u201d",
        "8": "Mitsang\u00e0na, Andriamanitra\u00a0\u00f4, ka tsarao ny tany, Fa anao ny firenena rehetra."
    },
    "83": {
        "1": "Aza mangina fotsiny, Andriamanitra\u00a0\u00f4! Aza mangina tsy miteny na mijery fotsiny, Andriamanitra\u00a0\u00f4!",
        "2": "Jereo fa mitabataba\u00a0be ny fahavalonao, Ary mirehareha ireo mankahala anao.",
        "3": "Fetsifetsy izy ireo ka manao tetika mangingina hamelezana ny vahoakanao; Mikaon-doha hanohitra an\u2019ireo olona tena tianao izy ireo.",
        "4": "Hoy izy ireo: \u201cAndao hofongorantsika ny fireneny, Amin\u2019izay dia tsy hotsaroana intsony ny anarana hoe Israely.\u201d",
        "5": "Miara-mamorona paikady izy ireo; Manao fifanekena hanoherana anao izy ireo,",
        "6": "Dia ny tranolain\u2019i Edoma sy ny Ismaelita, Moaba sy ny Hagarita,",
        "7": "Gebala sy Amona sy Amaleka, Ary Filistia sy ny mponin\u2019i Tyro.",
        "8": "Miaraka amin\u2019izy ireo koa i Asyria; Manampy an\u2019ireo taranak\u2019i Lota izy rehetra. ( Sela )",
        "9": "Ataovy toy ny nanaovanao ny Midianina izy ireo, Toy ny nanaovanao an\u2019i Sisera sy Jabina teo amin\u2019ny reniranon\u2019i Kisona.",
        "10": "Naringana tany En-dora izy ireo, Ka lasa zezika ho an\u2019ny tany.",
        "11": "Ataovy toy ny nanaovanao an\u2019i Oreba sy Zeba ny olona ambony eo aminy, Ary ataovy toy ny nanaovanao an\u2019i Zebaha sy Zalmona ny andrianany.",
        "12": "Nilaza mantsy izy ireo hoe: \u201cAndao halaintsika ilay tany ipetrahan\u2019Andriamanitra.\u201d",
        "13": "Ataovy hoatran\u2019ny tsilo avadibadiky ny tadio izy ireo, ry\u00a0Andriamanitro\u00a0\u00f4, Hoatran\u2019ny mololo entin\u2019ny rivotra.",
        "14": "Toy ny afo mandoro ala, Toy ny lelafo mandrehitra tendrombohitra,",
        "15": "Ho toy izany anie no hanenjehanao azy amin\u2019ny rivo-mahery, Sy hampihorohoroanao azy amin\u2019ny tafio-drivotra avy aminao!",
        "16": "Ataovy afa-baraka tanteraka izy ireo, Mba hitadiavany ny anaranao, Jehovah\u00a0\u00f4!",
        "17": "Ho menatra sy hihorohoro mandrakizay anie izy ireo, Ary ho afa-baraka sy ho ringana;",
        "18": "Enga anie ho fantatry ny olona fa ianao irery ihany, ilay manana anarana hoe Jehovah, No Avo Indrindra manerana ny tany manontolo!"
    },
    "84": {
        "1": "Tsara er\u1ef3 ny tranolainao be\u00a0voninahitra, Jehovah Tompon\u2019ny tafika\u00a0\u00f4!",
        "2": "Manimanina daholo ny hatrany anatiko lalina any, Eny, tena tsy andriko mihitsy Ny ho any an-tokotanin\u2019ny tranolain\u2019i Jehovah. Mihoby an\u2019ilay Andriamanitra velona ny foko sy ny tenako manontolo.",
        "3": "Na ny vorona aza mahita trano any, Ary ny sidintsidina mahita akany Hikarakarany ny zanany Eny akaikin\u2019ny alitaranao be\u00a0voninahitra, ry\u00a0Jehovah Tompon\u2019ny tafika\u00a0\u00f4, Ry Mpanjakako sy Andriamanitro!",
        "4": "Sambatra ny olona mipetraka ao an-tranonao! Midera anao foana izy ireo. ( Sela )",
        "5": "Sambatra ny olona mahazo hery avy aminao, Izay te handeha amin\u2019ny lalana mankany an-tranonao.",
        "6": "Rehefa mamakivaky ny Lohasaha Bak\u00e0 izy ireo, Dia ovany ho toerana misy loharano izany; Ary toy ny akanjo manarona azy ny fitahiana entin\u2019ny orana voalohandohany.",
        "7": "Handeha izy ireo sady hihamatanjaka; Samy miseho eo anatrehan\u2019Andriamanitra ao Ziona izy ireo.",
        "8": "Henoy ny vavaka ataoko, Jehovah Andriamanitry ny tafika\u00a0\u00f4! Mihainoa, ry\u00a0Andriamanitr\u2019i Jakoba\u00a0\u00f4! ( Sela )",
        "9": "Ry Andriamanitray sy ampinganay\u00a0\u00f4, mba jereo Sy tsinjovy ilay voahosotrao.",
        "10": "Fa ny indray andro eo an-tokotaninao dia tsara noho ny arivo andro any an-toeran-kafa! Aleoko mijoro eo an-tokonam-baravaran\u2019ny tranon\u2019ny Andriamanitro, Toy izay hipetraka ao amin\u2019ny tranolain\u2019ny ratsy fanahy.",
        "11": "Fa masoandro sy ampinga i Jehovah Andriamanitra; Mankasitraka sy manome voninahitra izy. I Jehovah dia tsy hiahotra ny hanome zava-tsoa Ho an\u2019ireo tsy mivadika.",
        "12": "Ry Jehovah Tompon\u2019ny tafika\u00a0\u00f4, Sambatra izay olona matoky anao."
    },
    "85": {
        "1": "Niantra ny taninao ianao, Jehovah\u00a0\u00f4! Nampodinao ireo taranak\u2019i Jakoba azo babo.",
        "2": "Efa namela ny fahadisoan\u2019ny vahoakanao ianao; Navelanao daholo ny fahotany. ( Sela )",
        "3": "Tsy navoakanao daholo ny hatezeranao, Ary tsy nisafoaka intsony ianao.",
        "4": "Ataovy lasa hoatran\u2019ny taloha indray izahay, ry\u00a0Andriamanitra mpamonjy anay\u00a0\u00f4, Ary aza sosotra aminay intsony.",
        "5": "Hisafoaka aminay mandrakizay ve ianao? Mbola ho tezitra foana ve ianao hatrany amin\u2019ny taranaka fara aman-dimby?",
        "6": "Tsy hovelombelominao indray ve izahay Mba ho afaka hifaly aminao ny vahoakanao?",
        "7": "Asehoy hoe tia anay sy tsy mivadika aminay ianao, Jehovah\u00a0\u00f4, Ary vonjeo izahay!",
        "8": "Hohenoiko izay lazain\u2019i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, Satria izy hiresaka fihavanana amin\u2019ny vahoakany, dia amin\u2019ireo tsy mivadika aminy. Aoka anefa izy ireo tsy hatoky\u00a0tena loatra indray.",
        "9": "Akaiky an\u2019izay matahotra an\u2019Andriamanitra tokoa ny famonjeny, Mba ho afaka hijanona eto amin\u2019ny taninay ny voninahiny.",
        "10": "Hihaona ny fitiavana sy ny tsy fivadihana; Hifanoroka ny fahamarinana sy ny fiadanana.",
        "11": "Hitsimoka avy amin\u2019ny tany ny tsy fivadihana, Ary hitazana avy any an-danitra ny fahamarinana.",
        "12": "Tena hanome zava-tsoa i Jehovah, Ary hahavokatra ny taninay.",
        "13": "Handeha eo alohan\u2019Andriamanitra ny rariny, Ka hanomana ny lalana handehanany."
    },
    "86": {
        "1": "Aoka ianao hanongilan-tsofina, Jehovah\u00a0\u00f4, ka valio\u00a0aho Fa mijaly sy mahantra.",
        "2": "Arovy ny aiko satria tsy mivadika aminao aho. Mba vonjeo ity mpanomponao izay matoky anao, Fa Andriamanitro ianao.",
        "3": "Iantrao aho, Jehovah\u00a0\u00f4, Fa miantso anao tontolo andro.",
        "4": "Ampifalio ity mpanomponao, Fa ianao no ianteherako, Jehovah\u00a0\u00f4!",
        "5": "Tsara toetra sy vonona hamela heloka mantsy ianao, Jehovah\u00a0\u00f4! Be fitiavana sy tsy mivadika amin\u2019izay rehetra miantso anao ianao.",
        "6": "Henoy ny vavaka ataoko, Jehovah\u00a0\u00f4, Ary henoy tsara ny fitalahoako fanampiana!",
        "7": "Miantso anao aho rehefa ao anatin\u2019ny sarotra, Satria hamaly ahy ianao.",
        "8": "Tsy misy hoatr\u2019anao ireo andriamanitra, Jehovah\u00a0\u00f4! Tsy misy mahavita ny vitanao.",
        "9": "Jehovah\u00a0\u00f4, ho avy hiankohoka eo anatrehanao Ny firenena rehetra nataonao, Ary homen\u2019izy ireo voninahitra ny anaranao!",
        "10": "Fa lehibe ianao ary manao zava-mahagaga; Ianao irery no Andriamanitra.",
        "11": "Ampianaro ny lalanao aho, Jehovah\u00a0\u00f4! Handeha amin\u2019ny fahamarinanao aho. Ataovy izay hatahorako ny anaranao amin\u2019ny foko manontolo.",
        "12": "Midera anao amin\u2019ny foko manontolo aho, Jehovah Andriamanitro\u00a0\u00f4, Ary homeko voninahitra mandrakizay ny anaranao,",
        "13": "Satria tena tia ahy sy tsy mivadika amiko ianao, Ary novonjenao ny aiko mba tsy hidina any amin\u2019ny Fasana.",
        "14": "Andriamanitra\u00a0\u00f4, mitsangana hamely ahy ny olona sahisahy ratsy; Mitady hamono ahy ny andian\u2019olona tsy mifaditrovana, Ary tsy miraharaha anao izy ireo.",
        "15": "Fa ianao kosa, Jehovah\u00a0\u00f4, dia Andriamanitra mamindra\u00a0fo sy mangoraka, Tsy mora tezitra, tena be\u00a0fitiavana sy tsy mivadika, ary mendri-pitokisana.",
        "16": "Tsinjovy aho ka iantrao. Omeo ny herinao ity mpanomponao, Ary vonjeo ity zanaky ny mpanompovavinao.",
        "17": "Omeo famantarana aho hoe tsara\u00a0toetra ianao, Mba ho hitan\u2019ireo mankahala ahy izany, ka ho menatra izy ireo. Fa ianao, Jehovah\u00a0\u00f4, no mpanampy sy mpampionona ahy."
    },
    "87": {
        "1": "Any amin\u2019ny tendrombohitra masina no fototra iorenan\u2019ny tan\u00e0nan\u2019Andriamanitra.",
        "2": "Ny vavahadin\u2019i Ziona no tian\u2019i Jehovah kokoa Noho ny tranolay rehetran\u2019i Jakoba.",
        "3": "Malaza ho be\u00a0voninahitra ianao, ry\u00a0tan\u00e0nan\u2019ilay tena Andriamanitra! ( Sela )",
        "4": "Hisaiko ho anisan\u2019ireo mahalala ahy i Rahaba sy Babylona; Izao no holazaina momba an\u2019ireo any Filistia sy Tyro ary Kosy: \u201cTeraka tany Ziona io olona io.\u201d",
        "5": "Ary hisy hilaza momba an\u2019i Ziona hoe: \u201cSamy teraka tao ny tsirairay amin\u2019ireo.\u201d Hanamafy orina an\u2019i Ziona ilay Avo Indrindra.",
        "6": "Izao no holazain\u2019i Jehovah, rehefa horaketiny an-tsoratra ireo firenena: \u201cTeraka tany Ziona io olona io.\u201d ( Sela )",
        "7": "Hilaza toy izao ny mpihira sy ireo mpandihy manao boribory: \u201cAo aminao daholo ny loharanoko.\u201d"
    },
    "88": {
        "1": "Ry Jehovah Andriamanitra mpamonjy ahy\u00a0\u00f4, Mitaraina aho amin\u2019ny antoandro, Ary mankeo anatrehanao aho amin\u2019ny alina.",
        "2": "Ho tonga any aminao anie ny vavaka ataoko; Aoka ianao hanongilan-tsofina hihaino ny antso vonjy ataoko.",
        "3": "Fa efa tototry ny fahoriana aho, Ary efa ho lasa ao amin\u2019ny Fasana ny aiko.",
        "4": "Efa isaina ho anisan\u2019ireo midina any an-davaka aho; Lasa olona tsy misy mpiaro aho,",
        "5": "Nafoy ho anisan\u2019ireo efa maty, Toy ireo olona novonoina matory ao am-pasana, Izay tsy tsaroanao intsony Sady tsy karakarainao.",
        "6": "Nataonao tao amin\u2019ny lavaka lalina indrindra aho, Tao amin\u2019ny toerana maizina, tao amin\u2019ny lavaka\u00a0be mangitsokitsoka.",
        "7": "Mavesatra be amiko ny hatezeranao, Ary ataonao saron\u2019ny onjanao mahery aho. ( Sela )",
        "8": "Nataonao lavitra ahy ny olom-pantatro, Ary nataonao naharikoriko azy ireo aho. Voafandrika aho ka tsy afa-mitsoaka.",
        "9": "Reraky ny fahoriana ny masoko. Miantso anao tontolo andro aho, Jehovah\u00a0\u00f4; Aminao aho no mamelatra ny tanako mba hivavaka.",
        "10": "Hanao fahagagana ho an\u2019ny maty ve ianao? Afaka mitsangana hidera anao ve ireo maty tsy mahavita na inona na inona? ( Sela )",
        "11": "Hotorina any am-pasana ve hoe be\u00a0fitiavana sy tsy mivadika ianao, Ary hambara any amin\u2019ny toerana mahal\u00f2 ny nofo ve hoe mendri-pitokisana ianao?",
        "12": "Ho fantatra ao amin\u2019ny haizina ve ny fahagagana nataonao, Ary ho fantatra ao amin\u2019ny tanin\u2019ny fanadinoana ve ny fahamarinanao?",
        "13": "Mbola miantso vonjy aminao ihany anefa aho, Jehovah\u00a0\u00f4! Tonga eo anatrehanao isa-maraina ny vavaka ataoko.",
        "14": "Nahoana ianao no manary ahy, Jehovah\u00a0\u00f4? Nahoana ianao no mihodina tsy hijery ahy?",
        "15": "Hatramin\u2019izaho mbola tanora No efa nijaly sy saika maty; Kivy be aho noho ny zavatra mampahory avelanao hozakaiko.",
        "16": "Mandifotra ahy ny fahatezeranao mafy; Ataonao mihorohoro aho ka mila ho faty.",
        "17": "Manodidina ahy toy ny rano izany, tontolo andro; Voahodidin\u2019izany aho ka voageja.",
        "18": "Nataonao lavitra ahy ny namako sy ny sakaizako, Dia ny haizina no lasa namako."
    },
    "89": {
        "1": "Hohiraiko mandrakizay hoe be\u00a0fitiavana sy tsy mivadika i Jehovah. Hampahafantariko an\u2019ireo taranaka fara aman-dimby fa mendri-pitokisana ianao.",
        "2": "Fa hoy aho: \u201cHo mafy orina mandrakizay ny fitiavana sy ny tsy fivadihana, Ary ataonao tsara fototra any an-danitra ilay toetranao hoe mendri-pitokisana.\u201d",
        "3": "\u201cEfa nanao fifanekena tamin\u2019ilay voafidiko aho, Ary efa nianiana tamin\u2019i Davida mpanompoko hoe:",
        "4": "\u2018Hataoko maharitra mandrakizay ny taranakao, Ary hataoko mafy orina hatramin\u2019ny taranaka fara aman-dimby ny seza fiandriananao.\u2019\u201d ( Sela )",
        "5": "Midera an\u2019ireo zava-mahagaga nataonao ny lanitra, Jehovah\u00a0\u00f4; Midera ny tsy fivadihanao ny fiangonan\u2019ireo masina.",
        "6": "Fa iza any an-danitra no afaka mifampitaha amin\u2019i Jehovah? Iza amin\u2019ireo zanak\u2019Andriamanitra no mitovy amin\u2019i Jehovah?",
        "7": "Hajaina sy atahorana Andriamanitra eo anivon\u2019ireo masina; Be voninahitra izy amin\u2019izay rehetra manodidina azy sady atahoran\u2019izy ireo.",
        "8": "Jehovah Andriamanitry ny tafika\u00a0\u00f4, Iza no mahery hoatr\u2019anao, ry\u00a0Jah? Mendri-pitokisana ianao amin\u2019ny zava-drehetra.",
        "9": "Manjaka amin\u2019ny ranomasina misamboaravoara ianao; Mampitony ny onjany ianao rehefa avo\u00a0be ireny.",
        "10": "Notorotoroinao i Rahaba, ka toy ny novonoina ho faty. Ny sandrinao matanjaka no nanaparitahanao ny fahavalonao.",
        "11": "Anao ny lanitra, ary anao ny tany; Ianao no nanao ny tany lonaka sy izay rehetra eo aminy.",
        "12": "Ianao no nanao ny avaratra sy ny atsimo; Faly midera ny anaranao i Tabara sy Hermona.",
        "13": "Mahery ny sandrinao; Matanjaka ny tananao; Misandratra ny tananao ankavanana.",
        "14": "Ny rariny sy ny hitsiny no fototra iorenan\u2019ny seza fiandriananao; Eo anatrehanao ny fitiavana sy ny tsy fivadihana.",
        "15": "Sambatra izay olona manao horakora-pifaliana; Mandeha amin\u2019ny hazavanao izy ireo, Jehovah\u00a0\u00f4!",
        "16": "Mifaly amin\u2019ny anaranao izy ireo tontolo andro, Ary noho ny fahamarinanao dia misandratra izy ireo.",
        "17": "Fa ianao no mahatonga azy ireo hahery sy ho be\u00a0voninahitra, Ary noho ny fankasitrahanao, dia mitombo ny herinay.",
        "18": "Fa avy amin\u2019i Jehovah ny ampinganay, Ary avy amin\u2019Ilay Masin\u2019ny Israely ny mpanjakanay.",
        "19": "Niteny tao amin\u2019ny fahitana ianao tamin\u2019izany, ka nilaza tamin\u2019ireo tsy nivadika taminao hoe: \u201cNomeko hery ny olona iray matanjaka; Nasandratro ny olona iray nofidiko teo amin\u2019ny vahoaka.",
        "20": "Nahita an\u2019i Davida mpanompoko aho, Ka nohosorako menaka masina izy.",
        "21": "Hanohana azy ny tanako, Ary hanatanjaka azy ny sandriko.",
        "22": "Tsy hisy fahavalo hitaky hetra aminy, Ary tsy hisy olona tsy marina hampijaly azy.",
        "23": "Hotorotoroiko eo anatrehany ny fahavalony, Ary hasiako ireo mankahala azy.",
        "24": "Hasehoko azy hoe tia azy sy tsy mivadika aminy aho sady mendri-pitokisana, Ary noho ny anarako dia hitombo ny heriny.",
        "25": "Hataoko eo ambonin\u2019ny ranomasina ny tanany, Ary eo ambonin\u2019ny renirano ny tanany ankavanana.",
        "26": "Dia hiantso ahy izy hoe: \u2018Raiko ianao, Andriamanitro sy Vatolampy mpamonjy ahy.\u2019",
        "27": "Ary izaho hanao azy ho lahimatoa, Ho ambony indrindra amin\u2019ny mpanjakan\u2019ny tany.",
        "28": "Ho tia azy sy tsy hivadika aminy mandrakizay aho, Ary hanan-kery foana ny fifanekena nataoko taminy.",
        "29": "Hataoko maharitra mandrakizay ny taranany, Ary haharitra toy ny lanitra ny seza fiandrianany.",
        "30": "Raha tsy mankat\u00f2 ny lal\u00e0ko ny taranany, Ka tsy manaraka ny baiko omeko azy,",
        "31": "Ary raha mandika ny fitsipiko izy ireo, Ka tsy mitandrina ny didiko,",
        "32": "Dia hofaiziko amin\u2019ny tsorakazo ny tsy fankatoavan\u2019izy ireo, Ary hokaravasiko ny fahadisoany.",
        "33": "Ho tia azy foana sy tsy hivadika aminy mihitsy anefa aho, Ary tsy hivadika amin\u2019ny fampanantenana nataoko.",
        "34": "Tsy hivadika amin\u2019ny fifanekena nataoko aho, Na hanova ny teny efa nolazaiko.",
        "35": "Masina aho, ka efa nianiana indray mandeha tsy miverina; Tsy handainga amin\u2019i Davida aho.",
        "36": "Haharitra mandrakizay ny taranany; Haharitra eo anatrehako toy ny masoandro ny seza fiandrianany.",
        "37": "Ho mafy orina mandrakizay toy ny volana izy\u00a0io, Tahaka ny vavolombelona mendri-pitokisana eny amin\u2019ny lanitra.\u201d ( Sela )",
        "38": "Ianao kosa anefa nanary sy nanda an\u2019ilay voahosotrao, Ary nisafoaka taminy.",
        "39": "Nohamavoinao ny fifanekena nataonao tamin\u2019ilay mpanomponao; Nozimbazimbainao ny satroboninahiny ka natsipinao tamin\u2019ny tany.",
        "40": "Narodanao daholo ny mandany vita amin\u2019ny vato; Noravanao ny toerany voaro mafy.",
        "41": "Nandroba azy daholo izay rehetra nandalo; Latsain\u2019ny mpiara-monina aminy izy.",
        "42": "Nataonao nandresy azy ny fahavalony; Nataonao izay hahafaly an\u2019ireo rehetra nanohitra azy.",
        "43": "Nahemotrao koa ny sabany, Ary tsy nampianao izy tany an\u2019ady.",
        "44": "Nesorinao taminy ny voninahiny, Ary natsipinao tamin\u2019ny tany ny seza fiandrianany.",
        "45": "Nohafohezinao ny andron\u2019ny fahatanorany; Nataonao nitafy henatra izy. ( Sela )",
        "46": "Mandra-pahoviana ianao no hiafina, Jehovah\u00a0\u00f4? Ho mandrakizay ve? Hirehitra foana toy ny afo ve ny fahatezeranao?",
        "47": "Tsarovy fa fohy ihany ange ny androm-piainako\u00a0e! Dia tsy misy antony ve ny namoronanao ny olombelona rehetra?",
        "48": "Iza no olona velona ka tsy ho faty mihitsy? Afaka mamonjy ny tenany tsy ho voagejan\u2019ny Fasana ve izy? ( Sela )",
        "49": "Jehovah\u00a0\u00f4, aiza ireny fitiavana sy tsy fivadihana nasehonao taloha ireny, Izay nianiananao tamin\u2019i Davida noho ianao mendri-pitokisana?",
        "50": "Tsarovy ny latsa natao tamin\u2019ny mpanomponao, Jehovah\u00a0\u00f4, Dia ny latsa nozakaiko avy tamin\u2019ny firenena rehetra;",
        "51": "Tsarovy ny teny ratsy nolazain\u2019ireo fahavalonao, Jehovah\u00a0\u00f4, Dia ny teny ratsy nataon\u2019izy ireo tamin\u2019ny voahosotrao tany amin\u2019izay rehetra nandehanany.",
        "52": "Hoderaina mandrakizay anie i Jehovah! Amena! Amena!"
    },
    "90": {
        "1": "Jehovah\u00a0\u00f4, ianao no fonenanay, hatramin\u2019ny taranaka fara aman-dimby.",
        "2": "Talohan\u2019ny nahaterahan\u2019ny tendrombohitra, Sy talohan\u2019ny nanaovanao ny tany sy ny tany lonaka, Dia efa Andriamanitra ianao hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay.",
        "3": "Averinao ho vovoka ny olombelona mety maty; Hoy ianao: \u201cMiverena ho vovoka, ry\u00a0zanak\u2019olombelona.\u201d",
        "4": "Fa eo imasonao ny arivo taona dia toy ny fandalon\u2019ny omaly, Toy ny fotoam-piambenana iray amin\u2019ny alina.",
        "5": "Mifaoka olona tampoka ianao, ka miserana toy ny torimaso izy ireo; Toy ny ahitra mitsimoka izy ireo rehefa maraina.",
        "6": "Mamony izy rehefa maraina ka mandrobona, Nefa malazo sy maina rehefa hariva.",
        "7": "Fa ripaka izahay noho ny fahatezeranao, Ary mihorohoro noho ny fahaviniranao.",
        "8": "Ataonao eo anatrehanao ny fahadisoanay; Ahariharin\u2019ny hazavan\u2019ny tarehinao ny zavatra ataonay\u00a0ao amin\u2019ny miafina.",
        "9": "Mihafohy ny androm-piainanay noho ny fahatezeranao; Ary miserana toy ny sento ireo taona iainanay.",
        "10": "Maharitra 70\u00a0taona ny androm-piainanay, Na 80\u00a0taona ho an\u2019izay tena matanjaka. Feno zava-tsarotra sy alahelo anefa izany; Mihelina ihany ny taona iainanay, ka lasa manidina izahay.",
        "11": "Iza no mahatakatra ny herin\u2019ny fahatezeranao? Lehibe ny fahaviniranao, ary lehibe hoatr\u2019izany koa ny tahotra mendrika anao.",
        "12": "Ampianaro hanisa ny andronay izahay, Mba hanananay fo hendry.",
        "13": "Miverena, Jehovah\u00a0\u00f4! Haharitra mandra-pahoviana izao? Mba iantrao ny mpanomponao!",
        "14": "Ataovy afa-po amin\u2019ny fitiavanao sy ny tsy fivadihanao izahay rehefa maraina, Mba ho afaka hihoby sy hifaly, amin\u2019ny andro rehetra iainanay.",
        "15": "Ampifalio izahay, ka ataovy mitovy amin\u2019ny isan\u2019ny andro nampahorianao anay izany, Mitovy amin\u2019ny isan\u2019ireo taona maro nahitanay loza.",
        "16": "Ho hitan\u2019ny mpanomponao anie ny asanao, Ary ho hitan\u2019ny taranak\u2019izy ireo anie ny voninahitrao!",
        "17": "Hahazo sitraka amin\u2019i Jehovah Andriamanitray anie izahay! Enga anie mba hataonao mahomby ny asan\u2019ny tananay! Mba ataovy mahomby ny asan\u2019ny tananay."
    },
    "91": {
        "1": "Izay mipetraka ao amin\u2019ny toerana miafin\u2019ny Avo Indrindra, Dia honina ao ambany alok\u2019Ilay Mahery Indrindra.",
        "2": "Hilaza amin\u2019i Jehovah aho hoe: \u201cFialofako ianao, ary manda fiarovana ho ahy, Andriamanitro izay itokisako.\u201d",
        "3": "Fa hanafaka anao amin\u2019ny fandriky ny mpamandri-borona izy, Sy amin\u2019ny areti-mandringana.",
        "4": "Hanarona anao amin\u2019ny volon\u2019elany izy, Ary ao ambany elany no hialofanao. Ho ampinga lehibe sy ho manda fiarovana ny tsy fivadihany.",
        "5": "Tsy hatahotra an\u2019izay mampihorohoro amin\u2019ny alina ianao, Na hatahotra ny zana-tsip\u00ecka misidina amin\u2019ny antoandro,",
        "6": "Na ny areti-mandringana misoko mangina ao anaty haizina, Na ny fandringanana mandripaka amin\u2019ny mitataovovonana.",
        "7": "Na dia hisy arivo ho lavo aza eo anilanao, Ary iray alina eo ankavananao, Dia tsy hisy hanakaiky anao izany loza izany.",
        "8": "Hitaza-maso an\u2019izany fotsiny ianao, Ary ho hitanao ny hanasaziana ny ratsy fanahy.",
        "9": "Koa satria efa nilaza ianao hoe: \u201cFialofako i Jehovah\u201d, Dia nataonao fonenanao ny Avo Indrindra.",
        "10": "Tsy hisy loza hanjo anao, Na zava-dratsy hanakaiky ny tranolainao.",
        "11": "Fa homeny baiko hanampy anao ny anjeliny, Mba hiaro anao any amin\u2019izay rehetra alehanao.",
        "12": "Hitondra anao eny an-tanany izy ireo, Mba tsy hidona amin\u2019ny vato ny tongotrao.",
        "13": "Hohitsakitsahinao ny liona tanora sy ny k\u00f4br\u00e0; Hanosihosy liona matanjaka sy bibilava ngezabe ianao.",
        "14": "Hoy Andriamanitra: \u201cHamonjy azy aho satria miraiki-po amiko izy. Harovako izy satria fantany ny anarako.",
        "15": "Hiantso ahy izy, dia hamaly azy aho. Ho eo akaikiny aho rehefa mijaly izy. Hamonjy azy aho ary hanome voninahitra azy.",
        "16": "Hataoko ela velona izy, Ary hataoko izay hahitany ny asa famonjeko.\u201d"
    },
    "92": {
        "1": "Tsara ny misaotra anao, Jehovah\u00a0\u00f4, Sy ny mihira fiderana ho an\u2019ny anaranao, ry\u00a0Avo Indrindra\u00a0\u00f4,",
        "2": "Sy ny manambara ny fitiavanao rehefa maraina, Ary ny miresaka momba ny tsy fivadihanao rehefa alina!",
        "3": "Tsara ny manao an\u2019izany miaraka amin\u2019ny zavamaneno misy tadiny folo sy ny mand\u00f4linina, Ary ny feon\u2019ny harpa mahafinaritra.",
        "4": "Fa mampifaly ahy ianao, Jehovah\u00a0\u00f4, noho ny zavatra ataonao; Mihoby aho noho ny asan\u2019ny tananao.",
        "5": "Lehibe tokoa ny asanao, Jehovah\u00a0\u00f4! Tena lalina ny fisainanao!",
        "6": "Tsy fantatry ny olona tsy misaina izany. Ary tsy azon\u2019ny olona adala hoe:",
        "7": "Rehefa mitsiry toy ny ahidratsy ny ratsy fanahy, Ary miroborobo ny mpanao ratsy rehetra, Dia midika izany fa ho ringana mandrakizay izy ireo.",
        "8": "Fa ankalazaina mandrakizay kosa ianao, Jehovah\u00a0\u00f4!",
        "9": "Ho faly tokoa ianao hijery hoe resy ny fahavalonao, Jehovah\u00a0\u00f4! Jereo ny handringanana an\u2019ireo manohitra anao. Haparitaka ny mpanao ratsy rehetra.",
        "10": "Ianao kosa hampitombo ny heriko mba ho toy ny an\u2019ny ombidia; Hosorako menaka ny hoditro mba ho mandimandina.",
        "11": "Ho faly ny masoko hahita hoe resy ny fahavaloko, Ary ny sofiko handre ny fahavoazan\u2019ireo mpanao ratsy manafika ahy.",
        "12": "Fa ny olo-marina kosa hiroborobo toy ny hazo palmie, Sady ho lasa ngezabe toy ny hazo sedera any Lib\u00e0na.",
        "13": "Ambolena ao an-tranon\u2019i Jehovah izy ireo; Mandrobona eo an-tokotanin\u2019ny tranon\u2019Andriamanitsika izy ireo.",
        "14": "Mbola hiroborobo foana izy ireo na dia efa antitra aza; Mbola hatanjaka sy havitribitrika izy ireo,",
        "15": "Ka hanambara fa mahitsy i Jehovah. Vatolampiko izy, ary tsy misy tsy fahamarinana ao aminy."
    },
    "93": {
        "1": "Lasa Mpanjaka i Jehovah! Mitafy fahalehibeazana izy; Mitafy hery i Jehovah; Afatony eny aminy toy ny fehikibo izany. Mafy orina ny tany, Ka tsy voahozongozona.",
        "2": "Efa mafy orina hatry ny ela ny seza fiandriananao; Efa nisy foana ianao hatramin\u2019izay.",
        "3": "Misondrotra be ny renirano, Jehovah\u00a0\u00f4, Misondrotra be sy misamboaravoara ny renirano. Misondrotra be foana sady midoboka mafy ny renirano.",
        "4": "Mahery noho ny feon\u2019ny rano\u00a0be, Sady mahery noho ny fidoboky ny onjan-dranomasina, Ianao, Jehovah\u00a0\u00f4, ilay heni-kaja any amin\u2019ny avo.",
        "5": "Tena azo atokisana ny fampahatsiahivanao. Mandravaka foana ny tranonao ny fahamasinana, Jehovah\u00a0\u00f4!"
    },
    "94": {
        "1": "Ry Jehovah Andriamanitra mpamaly ny ratsy natao\u00a0\u00f4, Ry Andriamanitra mpamaly ny ratsy natao\u00a0\u00f4, mamirapirata!",
        "2": "Mitsang\u00e0na, ry Mpitsara ny tany\u00a0\u00f4, Ka valio araka izay sahaza azy ny olona manambony tena.",
        "3": "Mandra-pahoviana no mbola hifaly ny ratsy fanahy, Jehovah\u00a0\u00f4? Mandra-pahoviana?",
        "4": "Miteniteny foana sy mirehareha izy ireo; Mizahozaho ny mpanao ratsy rehetra.",
        "5": "Ataon\u2019izy ireo torotoro ny vahoakanao, Jehovah\u00a0\u00f4! Ary ampijaliny ny lovanao.",
        "6": "Vonoin\u2019izy ireo ho faty ny mpitondratena sy ny vahiny, Ary vonoiny koa ny kamboty ray.",
        "7": "Hoy izy ireo: \u201cTsy mahita i Jah; Tsy mahatsikaritra an\u2019izany ny Andriamanitr\u2019i Jakoba.\u201d",
        "8": "Mba mieritrereta, ry tsy misaina! Ry adala, rahoviana ianareo vao mba ho lalin-tsaina?",
        "9": "Ilay nanao ny sofina indray ve no tsy handre? Ary Ilay namorona ny maso ve no tsy hahita?",
        "10": "Ilay manitsy an\u2019ireo firenena ve dia tsy hananatra? Izy Ilay mampita fahalalana amin\u2019ny olona!",
        "11": "Fantatr\u2019i Jehovah ny eritreritry ny olona, Fantany hoe toy ny fofonaina fotsiny izany.",
        "12": "Sambatra, ry Jah\u00a0\u00f4, izay olona anarinao, Sy ampianarinao ny lal\u00e0nao",
        "13": "Mba hahatonga azy tsy hanana ahiahy rehefa ao anatin\u2019ny fotoan-tsarotra, Mandra-pihady lavaka ho an\u2019ny ratsy fanahy.",
        "14": "Fa tsy hahafoy ny vahoakany i Jehovah, Na handao ny lovany.",
        "15": "Ho ara-drariny indray mantsy ny didim-pitsarana, Ary hanaiky an\u2019izany daholo ny olona mahitsy\u00a0fo.",
        "16": "Iza no hitsangana hiaro ahy amin\u2019ny ratsy fanahy? Iza no hiandany amiko hanohitra an\u2019ireo mpanao ratsy?",
        "17": "Raha tsy i Jehovah no mpanampy ahy, Dia efa maty aho hoatr\u2019izay.",
        "18": "Rehefa nilaza aho hoe: \u201cMibolisatra ny tongotro\u201d, Dia ny fitiavanao sy ny tsy fivadihanao no nanohana ahy, Jehovah\u00a0\u00f4!",
        "19": "Rehefa be dia\u00a0be ny zavatra nampitebiteby ahy, Dia nampionona sy nampitony ahy ianao.",
        "20": "Ny mpitondra manao kolikoly ve dia hanohana anao, Nefa izy ireo aza mampiasa ny lal\u00e0na mba hamoronana teti-dratsy?",
        "21": "Tafihiny amin-kabibiana ny olo-marina, Ary melohiny ho faty ny tsy manan-tsiny.",
        "22": "Ho fialofana azoko antoka anefa i Jehovah; Vatolampy fialofako ny Andriamanitro.",
        "23": "Havaliny amin\u2019izy ireo ny ratsy nataony. Ny zava-dratsy ataon\u2019izy ireo ihany no handringanany azy. Haringan\u2019i Jehovah Andriamanitsika tokoa izy ireo."
    },
    "95": {
        "1": "Avia! Andao isika hihoby an\u2019i Jehovah! Andao isika hanao horakora-pandresena ho an\u2019ilay Vatolampy mpamonjy antsika.",
        "2": "Andao isika hankeo anatrehany mba hisaotra azy. Andao isika hihira sy hanao horakora-pandresena ho azy.",
        "3": "Fa Andriamanitra tena miavaka i Jehovah; Mpanjaka lehibe ambonin\u2019ny andriamanitra rehetra izy.",
        "4": "Eo an-tanany ny faritra lalina amin\u2019ny tany, Ary azy ny tampon-tendrombohitra.",
        "5": "Azy koa ny ranomasina fa izy no nanao azy, Ary ny tanany no nanao ny tany maina.",
        "6": "Avia! Andao isika hanompo azy sy hiankohoka eo anatrehany. Aoka isika handohalika eo anatrehan\u2019i Jehovah Mpanao antsika.",
        "7": "Fa izy no Andriamanitsika, Ary isika no vahoaka ao an-kijanany, Dia ondry karakarainy. Raha mihaino ny feony ianareo anio,",
        "8": "Dia aza manamafy ny fonareo toy ny tao Meriba, Sy hoatran\u2019ilay tao Masa tany an-tany efitra,",
        "9": "Rehefa nisedra ahy ny razambenareo; Nitsapa ahy izy ireo na dia efa hitany aza ny asa nataoko.",
        "10": "Nandritra ny 40\u00a0taona no nankaloiloy ahy izany taranaka izany, ka nilaza aho hoe: \u201cVahoaka mafy loha ireo sady tsy manao afa-tsy izay tiany foana; Tsy fantany ny lalako.\u201d",
        "11": "Koa tezitra aho sady nianiana hoe: \u201cTsy hiditra amin\u2019ny fitsaharako ireo.\u201d"
    },
    "96": {
        "1": "Mihir\u00e0 hira vaovao ho an\u2019i Jehovah. Mihir\u00e0 ho an\u2019i Jehovah, ry\u00a0tany manontolo!",
        "2": "Mihir\u00e0 ho an\u2019i Jehovah; derao ny anarany. Ambarao isan\u2019andro ny vaovao tsaran\u2019ny famonjeny.",
        "3": "Lazao amin\u2019ireo firenena hoe be\u00a0voninahitra izy, Ary lazao amin\u2019ny vahoaka rehetra ny zava-mahatalanjona nataony.",
        "4": "Tena miavaka i Jehovah ka izy no mendrika hoderaina indrindra. Mendrika hatahorana mihoatra noho ny andriamanitra rehetra izy.",
        "5": "Andriamanitra tsy misy dikany daholo ny andriamanitr\u2019ireo firenena, Fa i Jehovah kosa no nanao ny lanitra.",
        "6": "Haja amam-boninahitra no eo anatrehany; Ary hery sy hatsarana no ao amin\u2019ny toerany masina.",
        "7": "Omeo an\u2019i Jehovah izay tokony homena azy, ry\u00a0foko eo amin\u2019ireo firenena. Omeo an\u2019i Jehovah izay tokony homena azy, satria be\u00a0voninahitra sady matanjaka izy.",
        "8": "Omeo voninahitra i Jehovah fa mendrika an\u2019izany ny anarany; Mitondr\u00e0 fanomezana ho azy ka midira ao an-tokotaniny.",
        "9": "Manaova fitafiana masina dia miankohofa eo anatrehan\u2019i Jehovah; Mangovita eo anatrehany, ry\u00a0tany manontolo!",
        "10": "Lazao amin\u2019ireo firenena hoe: \u201cLasa Mpanjaka i Jehovah! Mafy orina ny tany ka tsy voahozongozona. Hotsarainy araka ny rariny ny vahoaka.\u201d",
        "11": "Aoka hiravoravo ny lanitra, ary aoka hifaly ny tany; Aoka hihoby ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy;",
        "12": "Aoka hifaly ny saha sy izay rehetra eo aminy. Ny hazo rehetra any an\u2019ala koa aoka hihoby",
        "13": "Eo anatrehan\u2019i Jehovah, fa iny tamy iny izy; Tonga hitsara ny tany izy. Hotsarainy araka ny rariny ny tany misy mponina, Ary hotsarainy araka ny tsy fivadihany ireo firenena."
    },
    "97": {
        "1": "Lasa Mpanjaka i Jehovah! Aoka hifaly ny tany. Aoka hiravoravo ireo nosy be dia\u00a0be.",
        "2": "Rahona sy haizim-pito no manodidina azy; Ny rariny sy ny hitsiny no fototra iorenan\u2019ny seza fiandrianany.",
        "3": "Misy afo mivoaka eo anatrehany, Ary mandevona an\u2019ireo fahavalony manodidina azy izany.",
        "4": "Manazava an\u2019izao tontolo izao ny tselatra nalefany; Mahita an\u2019izany ny tany ka mihovotrovotra.",
        "5": "Mitsonika toy ny savoka ny tendrombohitra eo anatrehan\u2019i Jehovah, Eo anatrehan\u2019ilay Tompon\u2019ny tany manontolo.",
        "6": "Manambara ny fahamarinany ny lanitra, Ary mahita ny voninahiny ny firenena rehetra.",
        "7": "Ho menatra izay rehetra manompo sary sokitra, Dia izay mirehareha ny amin\u2019ireo andriamaniny tsy misy dikany. Miankohofa eo anatrehany, ry\u00a0andriamanitra rehetra!",
        "8": "Mandre i Ziona ka ravoravo; Faly ireo tan\u00e0nan\u2019i Joda Noho ny didim-pitsaranao, Jehovah\u00a0\u00f4!",
        "9": "Fa ianao, Jehovah\u00a0\u00f4, no Avo Indrindra manerana ny tany manontolo; Misandratra avo dia avo noho ny andriamanitra rehetra ianao.",
        "10": "Ianareo izay tia an\u2019i Jehovah, ankahalao ny ratsy. Miaro ny ain\u2019izay tsy mivadika aminy izy, Ary manafaka azy eo an-tanan\u2019ny ratsy fanahy.",
        "11": "Mamiratra ho an\u2019ny olo-marina ny hazavana, Ary ho an\u2019ny mahitsy\u00a0fo ny fifaliana.",
        "12": "Mifalia amin\u2019i Jehovah, ry\u00a0olo-marina, Ary isaory ny anarany masina."
    },
    "98": {
        "1": "Mihir\u00e0 hira vaovao ho an\u2019i Jehovah, Fa nanao zava-mahagaga izy. Nahavonjy ny tanany ankavanana, dia ny sandriny masina.",
        "2": "Nampahafantatra ny famonjeny i Jehovah; Naharihariny teo anatrehan\u2019ireo firenena ny fahamarinany.",
        "3": "Tadidiny hoe tiany ny taranak\u2019Israely sady tsy nivadika tamin\u2019izy ireo izy. Nahita ny famonjen\u2019Andriamanitsika ny vazan-tany efatra.",
        "4": "Manaova horakora-pandresena ho an\u2019i Jehovah, ry\u00a0tany manontolo. Mifalia sy mihobia ary manaova hira fiderana.",
        "5": "Manaova hira fiderana ho an\u2019i Jehovah amin\u2019ny harpa, Eny, amin\u2019ny harpa sy ny hira mahafinaritra.",
        "6": "Tsofy ny trompetra sy ny anjombona, Ka manaova horakora-pandresena eo anatrehan\u2019ny Mpanjaka, dia i Jehovah.",
        "7": "Aoka hihoby ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy, Ary ny tany sy izay monina eo aminy.",
        "8": "Aoka hitehaka ny renirano; Aoka ny tendrombohitra hiara-mihoby",
        "9": "Eo anatrehan\u2019i Jehovah, fa tonga hitsara ny tany izy. Hotsarainy araka ny rariny ny tany misy mponina, Ary hotsarainy araka ny hitsiny ireo firenena."
    },
    "99": {
        "1": "Lasa Mpanjaka i Jehovah. Aoka hangovitra ireo firenena. Mipetraka eo amin\u2019ny seza fiandrianana eo ambonin\u2019ny kerobima izy. Aoka hihovotrovotra ny tany.",
        "2": "Tena miavaka i Jehovah ao Ziona, Ary ambony noho ny firenena rehetra izy.",
        "3": "Aoka izy ireo hidera ny anaranao be\u00a0voninahitra, Fa mendrika hatahorana sy masina izy\u00a0io.",
        "4": "Mpanjaka mahery izy sady tia rariny. Nataonao mafy orina ny fahitsiana. Nampihatra ny rariny sy ny hitsiny tamin\u2019i Jakoba ianao.",
        "5": "Asandrato i Jehovah Andriamanitsika, ary miankohofa eo amin\u2019ny fitoeran-tongony; Masina izy.",
        "6": "Anisan\u2019ny mpisorony i Mosesy sy Arona, Ary anisan\u2019ny niantso ny anarany i Samoela. Niantso an\u2019i Jehovah izy ireo, Dia namaly azy ireo izy.",
        "7": "Niresaka tamin\u2019izy ireo tao anatin\u2019ny andry rahona izy. Narahin\u2019izy ireo ny fampahatsiahivana sy ny didy nomeny azy.",
        "8": "Namaly azy ireo ianao, Jehovah Andriamanitray\u00a0\u00f4! Andriamanitra namela ny helok\u2019izy ireo ianao, Nefa koa nanasazy azy ireo noho ny ratsy nataony.",
        "9": "Asandrato i Jehovah Andriamanitsika, Ary miankohofa eo anoloan\u2019ny tendrombohiny masina, Fa masina i Jehovah Andriamanitsika."
    },
    "100": {
        "1": "Manaova horakora-pandresena ho an\u2019i Jehovah, ry\u00a0tany manontolo.",
        "2": "Manompoa an\u2019i Jehovah sady mifalia. Mankanesa eo anatrehany sady mihobia.",
        "3": "Fantaro fa i Jehovah no Andriamanitra. Izy no nanao antsika, ary azy isika. Vahoakany isika sady ondry ao an-kijanany.",
        "4": "Midira eo am-bavahadiny mba hisaotra azy, Ary eo an-tokotaniny mba hidera azy. Misaora azy; derao ny anarany.",
        "5": "Fa tsara i Jehovah; Be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay, Ary asehony amin\u2019ny taranaka fara aman-dimby hoe mendri-pitokisana izy."
    },
    "101": {
        "1": "Hihira momba ny fitiavana sy ny tsy fivadihana ary ny rariny aho. Ho anao, Jehovah\u00a0\u00f4, no hihirako hira fiderana!",
        "2": "Ho malina sy tsy hisy\u00a0tsiny aho amin\u2019izay hataoko. Rahoviana ianao no hitsinjo ahy? Handeha amin\u2019ny fahitsian\u2019ny foko aho ao an-tranoko.",
        "3": "Tsy hanisy zavatra tsy misy dikany ho eo anoloan\u2019ny masoko aho. Halako ny zavatra ataon\u2019ireo miala amin\u2019ny lala-mahitsy; Tsy hifandray amin\u2019ireny mihitsy aho.",
        "4": "Halaviriko ny fo fetsifetsy; Tsy hankasitraka zavatra ratsy aho.",
        "5": "Hataoko tsy mahateny intsony Izay olona manendrikendrika ny namany any ambadimbadika any. Tsy holeferiko Ny olona manana maso mianjonanjona sy fo mirehareha.",
        "6": "Hankasitraka an\u2019ireo olona tsy mivadika eto an-tany aho, Mba hahafahan\u2019izy ireo hiara-monina amiko. Izay mandeha tsy misy tsiny no ho lasa mpanompoko.",
        "7": "Tsy hisy mpamitaka hipetraka ao an-tranoko, Ary tsy hisy mpandainga hijoro eo anatrehako.",
        "8": "Isa-maraina, dia hataoko tsy afa-miteny intsony ny ratsy\u00a0fanahy rehetra eto an-tany, Mba horinganina tsy ho ao an-tan\u00e0nan\u2019i Jehovah ny mpanao ratsy rehetra."
    },
    "102": {
        "1": "Henoy ny vavaka ataoko, Jehovah\u00a0\u00f4! Ho tonga any aminao anie ny antso vonjy ataoko!",
        "2": "Aza mihodina tsy hijery ahy rehefa ao anatin\u2019ny sarotra aho. Aoka ianao hanongilan-tsofina hihaino ahy; Mba valio haingana aho rehefa miantso anao.",
        "3": "Fa mandalo toy ny setroka ny androko, Ary may kila toy ny hoe natao tao anaty fatana ny taolako.",
        "4": "Toy ny ahitra nodanihin\u2019ny hainandro ny foko ka malazo, Fa hadinoko na dia ny mihinan-kanina aza.",
        "5": "Noho izaho mitaraindraina mafy, Dia taolana mifono hoditra sisa aho.",
        "6": "Hoatran\u2019ny gisandrano any an-tany efitra aho; Ary toy ny vorondolo kely any amin\u2019ny tan\u00e0na rava.",
        "7": "Tsy mahita tory aho, Sady hoatran\u2019ny vorona manirery eny an-tampon-trano.",
        "8": "Manaraby ahy tontolo andro ny fahavaloko. Izay maneso ahy dia mampiasa ny anarako rehefa manozona.",
        "9": "Fa lavenona no hohaniko toy ny mofo, Ary mifangaro ranomaso ny zavatra sotroiko,",
        "10": "Satria tezitra sy sosotra ianao, Fa ningainao aho dia narianao.",
        "11": "Toy ny aloka efa tsy ho hita intsony ny androko, Ary malazo toy ny ahitra aho.",
        "12": "Fa ianao kosa haharitra mandrakizay, Jehovah\u00a0\u00f4, Ary ny lazanao haharitra hatramin\u2019ny taranaka fara aman-dimby.",
        "13": "Hitsangana tokoa ianao ka hamindra\u00a0fo amin\u2019i Ziona, Satria izao no fotoana hankasitrahana azy; Tonga ny fotoana voatondro.",
        "14": "Mahafinaritra an\u2019ireo mpanomponao mantsy ny vato eo aminy, Ary tian\u2019izy ireo na dia ny vovoky ny taniny aza.",
        "15": "Hatahotra ny anaran\u2019i Jehovah ny firenena. Hatahotra ny voninahitrao daholo koa ny mpanjakan\u2019ny tany.",
        "16": "Fa hanorina indray an\u2019i Ziona i Jehovah; Hiseho amim-boninahitra izy.",
        "17": "Hohenoiny tsara ny vavak\u2019ireo tsy manana na inona na inona; Tsy hataony tsinontsinona ny vavak\u2019izy ireo.",
        "18": "Soratana ho an\u2019ny taranaka ho avy izany, Mba hidera an\u2019i Jah ny firenena iray mbola vao hoforonina.",
        "19": "Fa mitazana avy eny amin\u2019ny toerana avo sy masina misy azy izy, Avy any an-danitra i Jehovah no mijery ny tany,",
        "20": "Mba hihaino ny senton\u2019ny voafonja, Sy hanafaka an\u2019ireo voaheloka ho faty.",
        "21": "Amin\u2019izay dia hambara any Ziona ny anaran\u2019i Jehovah, Ary hoderaina any Jerosalema izy,",
        "22": "Rehefa miangona mba hanompo an\u2019i Jehovah Ireo firenena sy fanjakana.",
        "23": "Nesoriny talohan\u2019ny fotoana ny heriko; Nohafoheziny ny androm-piainako.",
        "24": "Dia hoy aho: \u201cRy\u00a0Andriamanitro\u00a0\u00f4, Aza esorina ny aiko fa vao misasaka ny androm-piainako, Nefa ny taona iainanao maharitra hatramin\u2019ny taranaka fara aman-dimby.",
        "25": "Taloha ela be ianao no nametraka ny fototry ny tany, Ary asan\u2019ny tananao ny lanitra.",
        "26": "Ho levona ireo fa ianao kosa haharitra; Ho tonta toy ny akanjo ireo rehetra ireo. Hosoloanao toy ny fitafiana ireo, ka tsy hisy intsony.",
        "27": "Fa ianao kosa tsy miova, ary tsy hifarana mihitsy ny taonanao.",
        "28": "Honina tsy hanana ahiahy ny zanaky ny mpanomponao, Ary haharitra eo anatrehanao ny taranany.\u201d"
    },
    "103": {
        "1": "Hidera an\u2019i Jehovah aho! Aoka hidera ny anarany masina ny tenako manontolo.",
        "2": "Hidera an\u2019i Jehovah aho! Tsy hohadinoiko mihitsy anie izay rehetra nataony!",
        "3": "Mamela ny fahadisoanao rehetra izy, Ary manasitrana ny aretinao rehetra;",
        "4": "Manavotra ny ainao tsy ho lasa any an-davaka izy, Ary ataony toy ny satroboninahitra eny aminao ny fitiavany sy ny tsy fivadihany ary ny famindram-pony.",
        "5": "Ataony afa-po amin\u2019ny zava-tsoa ianao mandritra ny androm-piainanao, Mba hihavao toy ny an\u2019ny voromahery ny fahatanoranao.",
        "6": "Manao ny rariny sy ny hitsiny i Jehovah Amin\u2019izay rehetra ampijalina.",
        "7": "Nampahafantariny an\u2019i Mosesy ny lalany, Ary nolazainy tamin\u2019ny zanak\u2019Israely ny zavatra nataony.",
        "8": "Mamindra fo sy mangoraka i Jehovah, Sady tsy mora tezitra ary tena be\u00a0fitiavana sy tsy mivadika.",
        "9": "Tsy hanameloka antsika foana noho ny fahadisoana nataontsika izy, Na hitana lolompo mandrakizay.",
        "10": "Tsy mamaly antsika araka ny fahotantsika izy, Na manasazy antsika noho ny fahadisoantsika, araka izay tokony ho sahaza antsika.",
        "11": "Fa toy ny haavon\u2019ny lanitra raha oharina amin\u2019ny tany Ny haben\u2019ny fitiavana sy ny tsy fivadihana asehony amin\u2019izay matahotra azy.",
        "12": "Toy ny halavitry ny atsinanana amin\u2019ny andrefana, No anesorany ny fahotantsika ho lavitra antsika.",
        "13": "Mamindra fo amin\u2019ny zanany ny ray, Dia toy izany koa fa mamindra\u00a0fo amin\u2019izay matahotra azy i Jehovah.",
        "14": "Fa fantany tsara ny nanaovana antsika, Ary tsy hadinony hoe vovoka ihany isika.",
        "15": "Mihelina toy ny ahitra ny androm-piainan\u2019ny olombelona mety maty; Mamony toy ny voninkazo eny an-tsaha izy.",
        "16": "Vao tsofin\u2019ny rivotra anefa izy dia tsy eo intsony, Hoatran\u2019ny hoe tsy teo mihitsy.",
        "17": "Ho mandrakizay kosa ny fitiavan\u2019i Jehovah sy ny tsy fivadihany Amin\u2019izay matahotra azy, Ary ny fahamarinany dia asehony hatramin\u2019ny taranak\u2019izy ireo fara aman-dimby,",
        "18": "Dia amin\u2019ireo manaja ny fifanekena nataony Sy ireo mankat\u00f2 an-tsakany sy an-davany ny fitsipiny.",
        "19": "Nataon\u2019i Jehovah mafy orina any an-danitra ny seza fiandrianany; Ary ny fanjakany no mifehy ny zava-drehetra.",
        "20": "Derao i Jehovah, ry\u00a0anjeliny rehetra tena mahery, Izay manatanteraka ny baikony sy mankat\u00f2 ny teniny.",
        "21": "Derao i Jehovah, ry\u00a0tafiny rehetra, Dia ianareo mpanompony izay manao ny sitrapony.",
        "22": "Derao i Jehovah, ry\u00a0zavaboariny rehetra, Any amin\u2019ny toerana rehetra anjakany. Hidera an\u2019i Jehovah amin\u2019ny foko manontolo anie aho!"
    },
    "104": {
        "1": "Te hidera an\u2019i Jehovah aho! Tena miavaka tokoa ianao, Jehovah Andriamanitro\u00a0\u00f4! Mitafy haja amam-boninahitra ianao.",
        "2": "Toy ny akanjo andrakofanao ny tenanao ny hazavana; Ary henjaninao toy ny tranolay ny lanitra.",
        "3": "Apetrany eny amin\u2019ny rano eny amin\u2019ny habakabaka ny vatan-kazo anaovany ny efitranony ambony rihana. Ataony toy ny kalesiny ny rahona, Ary mandeha amin\u2019ny elatry ny rivotra izy.",
        "4": "Ataony mahery ny anjeliny, Ary ataony afo mandevona ny mpanompony.",
        "5": "Nataony mafy orina teo ambonin\u2019ny fototra iorenany ny tany, Ka tsy hihetsika eo amin\u2019ny toerany mandrakizay mandrakizay.",
        "6": "Nampitafianao azy toy ny akanjo ny rano lalina. Nandifotra tendrombohitra ny rano.",
        "7": "Noteneninao mafy ny rano ka nandositra; Naheno ny feon\u2019ny kotroka nalefanao ireny, ka nirifatra nitsoaka",
        "8": "Tany amin\u2019ny toerana nataonao ho azy. Nisondrotra ny tendrombohitra, ary niletsy ny lohasaha.",
        "9": "Nasianao fetra ny rano mba tsy hihoatra, Ka tsy hanarona ny tany intsony izany.",
        "10": "Asiany loharano eny amin\u2019ny lohasaha; Mikoriana eny anelanelan\u2019ny tendrombohitra ireny.",
        "11": "Manome rano fisotro ho an\u2019ny bibidia rehetra ireny, Ka afaka hetaheta ny ampondradia.",
        "12": "Eny amin\u2019ny hazo eny amoron\u2019ireny no ipetrahan\u2019ny vorona; Misiotsioka ao anaty ravinkazo mandrobona izy ireo.",
        "13": "Avy eny amin\u2019ny efitranony ambony rihana Andriamanitra no manondraka an\u2019ireo tendrombohitra. Afa-po amin\u2019ny vokatry ny asanao ny tany.",
        "14": "Mampaniry ahitra ho an\u2019ny biby fiompy izy, Sy zavamaniry ho an\u2019ny olombelona, Mba hahatonga ny tany hamokatra sakafo:",
        "15": "Divay mampifaly ny fon\u2019ny olona, Sy menaka mahamandimandina ny tarehy, Ary mofo manome hery ny olona mety\u00a0maty.",
        "16": "Azon-drano tsara ireo hazon\u2019i Jehovah, Dia ny sederan\u2019i Lib\u00e0na, izay namboleny",
        "17": "Sy ametrahan\u2019ny vorona ny akaniny. Eny amin\u2019ny hazo zenevrie ny tranon\u2019ny vanobe.",
        "18": "Ho an\u2019ny osidia ny tendrombohitra avo, Ary fialofan\u2019ny bitrom-bato ny harambato.",
        "19": "Nanao ny volana izy mba hamaritana fotoana; Fantatry ny masoandro tsara ny fotoana filentehany.",
        "20": "Mahatonga haizina ianao, dia alina ny andro, Ary amin\u2019izay no mivezivezy ny bibidia rehetra any an\u2019ala.",
        "21": "Mierona ny liona tanora rehefa mihaza, Ka mitady sakafo avy amin\u2019Andriamanitra.",
        "22": "Rehefa miposaka ny masoandro, Dia mody ireny ka matory ao anatin\u2019ny lavaka fisitrihany.",
        "23": "Ny olona kosa mivoaka hanao ny asany, Ary miasa mafy mandra-paharivan\u2019ny andro.",
        "24": "Maro be tokoa ny zava-bitanao, Jehovah\u00a0\u00f4! Naneho fahendrena ianao rehefa nanao azy rehetra. Feno zavatra nataonao ny tany.",
        "25": "Tena lehibe sy midadasika koa ny ranomasina, Izay ahitana zavamananaina kely sy lehibe tsy hita isa sady mifanaretsaka.",
        "26": "Any no mivezivezy ny sambo, Ary any koa ny Leviatana, izay nataonao hilalao any.",
        "27": "Miantehitra aminao ireo rehetra ireo Mba hanome azy ny sakafony amin\u2019ny fotoanany.",
        "28": "Angoniny izay omenao azy. Rehefa manokatra ny tananao ianao, dia voky zava-tsoa izy ireo.",
        "29": "Rehefa mihodina tsy hijery azy kosa ianao, dia very hevitra izy ireo. Ary raha esorinao ny hery mamelona azy, dia maty izy ireo ka miverina ho vovoka.",
        "30": "Raha irahinao ny fanahinao dia voaforona izy ireo, Ary havaozinao ny tany.",
        "31": "Haharitra mandrakizay ny voninahitr\u2019i Jehovah. Hifaly amin\u2019ny asany i Jehovah.",
        "32": "Jereny ny tany, dia mihovotrovotra; Kasihiny ny tendrombohitra, dia midona-tsetroka.",
        "33": "Hihira ho an\u2019i Jehovah aho mandritra ny androm-piainako; Hihira fiderana ho an\u2019ny Andriamanitro aho raha mbola velona\u00a0koa.",
        "34": "Hahafaly azy anie ny eritreritro! Hifaly amin\u2019i Jehovah aho.",
        "35": "Hanjavona tsy hisy et\u1ef3 an-tany ny mpanota, Ary tsy hisy intsony ny ratsy fanahy. Te hidera an\u2019i Jehovah aho! Derao i Jah!"
    },
    "105": {
        "1": "Misaora an\u2019i Jehovah, ary miantsoa ny anarany. Ampahafantaro an\u2019ireo firenena ny zavatra nataony!",
        "2": "Mihir\u00e0 ho azy, manaova hira fiderana ho azy, Saintsaino ny zavatra mahatalanjona rehetra nataony.",
        "3": "Ataovy ho reharehanareo ny anarany masina. Ary enga anie ho faly ny fon\u2019izay mitady an\u2019i Jehovah!",
        "4": "Mitadiava an\u2019i Jehovah ary miantehera amin\u2019ny heriny. Mitadiava sitraka aminy foana.",
        "5": "Tadidio ny zavatra mahatalanjona nataony, Sy ny fahagagana vitany ary ny didim-pitsarana nolazainy,",
        "6": "Ry taranak\u2019i Abrahama mpanompony, Ry taranak\u2019i Jakoba, dia ianareo olom-boafidiny!",
        "7": "Izy no Jehovah Andriamanitsika. Mihatra eran-tany ny didim-pitsarany.",
        "8": "Tadidiny mandrakizay ny fifanekena nataony, Ary tsaroany hatrany amin\u2019ny taranaka arivo mifandimby ny fampanantenana nataony,",
        "9": "Dia ilay fifanekena nataony tamin\u2019i Abrahama, Sy ilay fianianana nataony tamin\u2019i Isaka.",
        "10": "Nataony fitsipika ho an\u2019i Jakoba io fianianana\u00a0io, Sady fifanekena maharitra ela\u00a0be ho an\u2019i Israely.",
        "11": "Fa hoy izy: \u201cHomeko anao ny tany Kanana, Ho anjara lovanareo.\u201d",
        "12": "Mbola vitsy izy ireo tamin\u2019izany, Tena vitsy kely sady vahiny tao amin\u2019ilay tany.",
        "13": "Nifindrafindra tany amin\u2019ny firenena samihafa izy ireo, Ary nifindrafindra tany amin\u2019ny fanjakana samihafa.",
        "14": "Tsy nisy olona navelan\u2019Andriamanitra hampijaly azy ireo, Fa nananatra mpanjaka mihitsy aza izy noho ny amin\u2019izy ireo,",
        "15": "Ka niteny hoe: \u201cAza mikasika an\u2019ireo voahosotro, Ary aza manisy ratsy an\u2019ireo mpaminaniko.\u201d",
        "16": "Nahatonga mosary tao amin\u2019ilay tany izy; Nataony fongana ny tahirina mofon\u2019izy ireo.",
        "17": "Nirahiny hialoha azy ireo ny lehilahy iray, Dia i Josefa, izay namidy ho andevo.",
        "18": "Nogejaina tamin\u2019ny rojo ny tongony, Ary nasiana gadra vy ny tendany;",
        "19": "Ny tenin\u2019i Jehovah no nanadio azy, Mandra-pahatanteraky ny teniny.",
        "20": "Nanome baiko hanafahana azy ny mpanjaka, Nanafaka azy ilay mpitondra vahoaka.",
        "21": "Dia notendreny hiandraikitra ny ankohonany izy, Sy hitantana ny fananany rehetra,",
        "22": "Mba hifehy ny andrianany araka izay itiavany azy, Sy hampianatra fahendrena an\u2019ireo zokiolona.",
        "23": "Dia nankany Ejipta i Israely; Lasa vahiny nipetraka tany amin\u2019ny tanin\u2019i Hama i Jakoba.",
        "24": "Nataon\u2019Andriamanitra maro\u00a0be ny vahoakany, Ary nataony mahery noho ny fahavalony izy ireo.",
        "25": "Navelany hiova ny fon\u2019ireo fahavalony, ka lasa nankahala ny vahoakany izy ireny, Sady nanao tetika hamelezana an\u2019ireo mpanompony.",
        "26": "Koa nirahiny i Mosesy mpanompony Sy Arona ilay nofidiny.",
        "27": "Dia nanao famantarana avy amin\u2019Andriamanitra teo amin\u2019izy ireny izy mirahalahy, Ka nanao fahagagana tany amin\u2019ny tanin\u2019i Hama.",
        "28": "Nandefa haizina Andriamanitra, ka maizina ilay tany; Tsy nanohitra ny teniny izy ireo.",
        "29": "Novan\u2019Andriamanitra ho ra ny rano tany Ejipta, Ka maty ny trondro tany.",
        "30": "Feno sahona be dia\u00a0be ny tanin\u2019izy ireo, Na dia hatrany amin\u2019ny efitranon\u2019ny mpanjaka aza.",
        "31": "Nomen\u2019Andriamanitra baiko hanafika azy ireo ny fihitra, Ary hameno ny taniny rehetra ny moka.",
        "32": "Havandra no nalatsany fa tsy orana, Ary nandefa tselatra teo amin\u2019ny tanin\u2019izy ireo izy.",
        "33": "Naripany ny voaloboka sy ny aviavin\u2019izy ireo, Ary notapatapahiny ny hazo tao amin\u2019ny tanin\u2019izy ireo.",
        "34": "Niteny izy dia tonga nanafika ny valala, Dia zana-balala tsy hita isa.",
        "35": "Nohanin\u2019ireny daholo ny zavamaniry tao amin\u2019ilay tany, Ary nohaniny ny vokatry ny tany.",
        "36": "Dia naripak\u2019Andriamanitra ny lahimatoa rehetra tao amin\u2019ny tanin\u2019izy ireo, Izany hoe ireo naterany voalohany.",
        "37": "Dia nentiny nivoaka an\u2019i Ejipta ny vahoakany, nitondra volafotsy sy volamena, Ary tsy nisy nangozohozo teo amin\u2019ireo fokony, na iray aza.",
        "38": "Faly i Ejipta rehefa lasa izy ireo, Satria natahotra mafy an\u2019ireo Israelita ny Ejipsianina.",
        "39": "Namelatra rahona izy mba hanakonana azy ireo, Ary afo mba hanazavana azy ireo nandritra ny alina.",
        "40": "Nangataka hena izy ireo, dia nandefasany papelika; Ary novokisany mofo avy any an-danitra izy ireo.",
        "41": "Nataony nitresaka ny vatolampy, dia nikoriana ny rano, Ka lasa toy ny renirano namakivaky ny tany efitra.",
        "42": "Tsaroany mantsy ny fampanantenana masina nataony tamin\u2019i Abrahama mpanompony.",
        "43": "Koa nentiny nivoaka ny vahoakany ka faly\u00a0be, Ary nentiny ny olom-boafidiny ka nihoby.",
        "44": "Nomeny azy ireo ny tanin\u2019ireo firenena; Nandova an\u2019izay nisasaran\u2019ny firenen-kafa izy ireo,",
        "45": "Mba hitandreman\u2019izy ireo ny fitsipiny Sy hankatoavany ny lal\u00e0ny. Derao i Jah!"
    },
    "106": {
        "1": "Derao i Jah! Misaora an\u2019i Jehovah fa tsara izy; Be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.",
        "2": "Iza no mahavita milaza ny asa rehetra nataon\u2019i Jehovah tamin\u2019ny heriny, Na manambara ny asa mendri-piderana rehetra nataony?",
        "3": "Sambatra izay manao ny rariny, Ka manao ny marina foana.",
        "4": "Tsarovy aho, Jehovah\u00a0\u00f4, rehefa miantra ny vahoakanao ianao. Karakarao sy vonjeo aho,",
        "5": "Amin\u2019izay aho dia hankafy ny zava-tsoa omenao an\u2019ireo olom-boafidinao, Sy hiara-mifaly amin\u2019ny firenenao, Ary hirehareha hidera anao miaraka amin\u2019ny lovanao.",
        "6": "Efa nanota hoatran\u2019ny razambenay izahay; Efa diso izahay ary nanao ratsy.",
        "7": "Tsy nankasitrahan\u2019ny razambenay tany Ejipta ireo zavatra mahatalanjona nataonao. Tsy tadidin\u2019izy ireo fa be\u00a0fitiavana sy tsy mivadika ianao. Nikomy kosa izy ireo teo amin\u2019ny ranomasina, dia ny Ranomasina\u00a0Mena.",
        "8": "Novonjen\u2019Andriamanitra ihany anefa izy ireo noho ny anarany, Mba hampahafantarana ny heriny.",
        "9": "Noteneniny mafy ny Ranomasina\u00a0Mena, dia ritra. Nentiny namakivaky rano lalina toy ny mamakivaky tany efitra izy ireo;",
        "10": "Namonjy azy ireo teo an-tanan\u2019izay mankahala azy izy, Sady nanavotra azy teo an-tanan\u2019ny fahavalo.",
        "11": "Saron\u2019ny rano ny fahavalony, Ka tsy nisy tafavoaka velona na iray aza.",
        "12": "Dia nino ny fampanantenany izy ireo, Ka nihira fiderana ho azy.",
        "13": "Vetivety anefa izy ireo dia nanadino an\u2019izay nataon\u2019Andriamanitra; Tsy niandry an\u2019izay torohevitra avy taminy izy ireo.",
        "14": "Resin\u2019ny faniriany feno fitiavan-tena izy ireo tany amin\u2019ny tany karakaina; Nitsapa an\u2019Andriamanitra izy ireo tany an-tany efitra.",
        "15": "Nomeny azy ireo izay nangatahiny, Nefa avy eo nasiany tamin\u2019ny aretina mampahia izy ireo.",
        "16": "Nialona an\u2019i Mosesy izy ireo tao an-toby, Sady nialona an\u2019i Arona, ilay masin\u2019i Jehovah.",
        "17": "Dia nisokatra ny tany ka nitelina an\u2019i Datana, Sy nanarona an\u2019ireo niaraka tamin\u2019i Abirama.",
        "18": "Nisy afo nandoro an\u2019ireo mpomba azy ireo; Nisy lelafo nandevona an\u2019ireo ratsy fanahy.",
        "19": "Nanamboatra zanak\u2019omby izy ireo tao Horeba, Ary niankohoka teo anoloan\u2019ny sarivongana metaly;",
        "20": "Ny voninahitro dia natakalony Sarin\u2019omby mpihinana ahitra.",
        "21": "Nohadinoin\u2019izy ireo Andriamanitra, ilay Mpamonjy azy, Izay nanao zavatra miavaka tany Ejipta,",
        "22": "Sy zavatra mahatalanjona tany amin\u2019ny tanin\u2019i Hama, Ary zavatra mampahatahotra teo amin\u2019ny Ranomasina\u00a0Mena.",
        "23": "Efa saika nanome baiko izy hoe haripaka izy ireo, Nefa nitalaho taminy i Mosesy olom-boafidiny, Mba hampitony ny fahatezerany Izy ka tsy handringana an\u2019ireo.",
        "24": "Ary nataon\u2019izy ireo tsinontsinona ilay tany mahafinaritra; Tsy nino ny fampanantenany izy ireo.",
        "25": "Nimenomenona foana izy ireo tao an-tranolainy, Ka tsy nihaino ny feon\u2019i Jehovah.",
        "26": "Koa nanangan-tanana izy ka nianiana momba azy ireo Hoe hataony miampatrampatra any an-tany efitra ny fatin\u2019izy ireo;",
        "27": "Hataony miampatrampatra any amin\u2019ireo firenena ny fatin\u2019ny taranany, Ary haparitany any amin\u2019ny tany samy hafa izy ireo.",
        "28": "Dia lasa nanompo an\u2019i Balan\u2019i Peora izy ireo, Ary nihinana an\u2019ireo sorona natolotra ho an\u2019ny maty.",
        "29": "Nampahatezitra an\u2019Andriamanitra ny zavatra nataony, Ka tratran\u2019ny loza izy ireo.",
        "30": "Rehefa nijoro anefa i Finehasa ka niditra an-tsehatra, Dia nitsahatra ilay loza.",
        "31": "Izany no nahatonga azy hekena hoe olo-marina, Hatramin\u2019ny taranaka fara aman-dimby, mandrakizay.",
        "32": "Nanao izay nampahatezitra an\u2019Andriamanitra izy ireo, teo amin\u2019ny rano tao Meriba, Ka nidiran-doza i Mosesy noho ny nataon\u2019izy ireo.",
        "33": "Nampahasosotra azy izy ireo, Ka nanao teny tsy voahevitra izy.",
        "34": "Tsy noringanin\u2019izy ireo ny firenena Nasain\u2019i Jehovah naringany.",
        "35": "Nifangaroharo tamin\u2019ireo firenena kosa izy ireo, Ka nanaraka ny fanaony.",
        "36": "Notompoin\u2019izy ireo ny sampin\u2019ireny, Ka lasa fandrika ho azy.",
        "37": "Nataony sorona ho an\u2019ny demonia Ny zanany lahy sy ny zanany vavy.",
        "38": "Nandatsaka ran\u2019olona tsy manan-tsiny izy ireo, Dia ny ran\u2019ny zanany lahy sy ny zanany vavy, Izay nataony sorona ho an\u2019ireo sampin\u2019i Kanana; Dia naloto ilay tany noho ny fandatsahan-dra.",
        "39": "Nanjary nandoto tena izy ireo noho ny fanaony; Nivaro-tena tamin\u2019ny andriamani-kafa izy ireo noho ny nataony.",
        "40": "Koa tezitra be tamin\u2019ny vahoakany i Jehovah, Ka lasa halany ny lovany.",
        "41": "Imbetsaka izy ireo no nataony resin\u2019ireo firenena, Mba hanjakazaka amin\u2019izy ireo izay nankahala azy.",
        "42": "Nampahorin\u2019ny fahavalony izy ireo, Ary lasa teo ambany fahefany.",
        "43": "Imbetsaka izy no namonjy azy ireo, Nefa nikomy sy tsy nankat\u00f2 izy ireo, Ka naetry noho ny fahadisoany.",
        "44": "Nahita ny fahorian\u2019izy ireo anefa izy Ary nandre ny antso vonjy nataony.",
        "45": "Nahatsiaro ny fifanekena nataony tamin\u2019izy ireo izy, Ary niantra azy, satria tena be\u00a0fitiavana sy tsy mivadika.",
        "46": "Nataony lasa niantra\u00a0azy Izay rehetra naka azy ho babo.",
        "47": "Vonjeo izahay, ry\u00a0Jehovah Andriamanitray\u00a0\u00f4! Angony avy any amin\u2019ireo firenena izahay Mba ho afaka hisaotra ny anaranao masina, Sy ho faly hidera anao.",
        "48": "Enga anie i Jehovah Andriamanitry ny Israely hoderaina Mandrakizay doria! Ary aoka ny olona rehetra hilaza hoe: \u201cAmena!\u201d Derao i Jah!"
    },
    "107": {
        "1": "Misaora an\u2019i Jehovah fa tsara izy; Be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.",
        "2": "Aoka hilaza an\u2019izany ireo navotan\u2019i Jehovah, Dia ireo navotany avy teo an-tanan\u2019ny fahavalo,",
        "3": "Sy nangoniny avy tany amin\u2019ny tany maro, Avy tany atsinanana sy tany andrefana, Ary avy tany avaratra sy tany atsimo.",
        "4": "Nirenireny tany an-tany efitra izy ireo, tany amin\u2019ny tany karakaina, Ary tsy nahita lalana hankanesana any amin\u2019izay tan\u00e0na azony ipetrahana.",
        "5": "Noana sy nangetaheta izy ireo, Ary efa saika torana noho ny harerahana.",
        "6": "Nitaraindraina tamin\u2019i Jehovah izy ireo rehefa tao anatin\u2019ny sarotra, Ka nafahany tamin\u2019ny fahoriany.",
        "7": "Nampandehaniny tamin\u2019ny lalana tokony halehany izy ireo, Mba ho tonga any amin\u2019izay tan\u00e0na azony ipetrahana.",
        "8": "Misaora an\u2019i Jehovah noho izy be\u00a0fitiavana sy tsy mivadika, Sy noho ny zavatra mahatalanjona nataony ho an\u2019ny zanak\u2019olombelona.",
        "9": "Fa nataony afa-ketaheta ny mangetaheta, Ary novokisany zava-tsoa ny noana.",
        "10": "Nisy tamin\u2019izy ireo niaina tao anatin\u2019ny haizim-pito, Sady voagejan\u2019ny fahoriana sy ny gadra\u00a0vy.",
        "11": "Nikomy tsy nanaraka ny tenin\u2019Andriamanitra mantsy izy ireo; Tsy noraharahiany ny torohevitr\u2019ilay Avo Indrindra.",
        "12": "Koa navelany hizaka fahoriana izy ireo mba hahatonga azy hanetry tena tao am-pony; Tafintohina izy ireo, ary tsy nisy nanampy.",
        "13": "Dia niantso vonjy tamin\u2019i Jehovah izy ireo rehefa tao anatin\u2019ny sarotra, Ka novonjeny tamin\u2019ny fahoriany.",
        "14": "Navoakany avy tao anatin\u2019ny haizim-pito izy ireo, Ary notapahiny ny zavatra namatotra azy ireo.",
        "15": "Misaora an\u2019i Jehovah noho izy be\u00a0fitiavana sy tsy mivadika, Sy noho ny zavatra mahatalanjona nataony ho an\u2019ny zanak\u2019olombelona.",
        "16": "Fa nopotipotehiny ny varavarana varahina Ary notapahiny ny bara hidiny vy.",
        "17": "Adala izy ireo ary nizaka fahoriana, Satria nandika lal\u00e0na sy nanao fahadisoana.",
        "18": "Lasa nalain-komana izy ireo, Ary nanakaiky an\u2019ireo vavahadin\u2019ny fahafatesana.",
        "19": "Dia niantso vonjy tamin\u2019i Jehovah izy ireo rehefa tao anatin\u2019ny sarotra, Ka novonjeny tamin\u2019ny fahoriany.",
        "20": "Niteny izy ka nositraniny izy ireo Sady nafahany avy tao amin\u2019ny lavaka nilatsahany.",
        "21": "Misaora an\u2019i Jehovah noho izy be\u00a0fitiavana sy tsy mivadika, Sy noho ny zavatra mahatalanjona nataony ho an\u2019ny zanak\u2019olombelona.",
        "22": "Aoka izy ireo hanolotra sorona fisaorana, Sy hanambara ny asan\u2019Andriamanitra sady hihoby.",
        "23": "Ireo mandeha sambo eny an-dranomasina, Sy manao raharaham-barotra eny amin\u2019ny rano midadasika,",
        "24": "Dia mahita ny asan\u2019i Jehovah Sy ny zavatra mahatalanjona nataony any amin\u2019ny rano lalina.",
        "25": "Hitan\u2019izy ireo fa miteny Andriamanitra dia misy tafio-drivotra Mampiakatra ny onjan-dranomasina.",
        "26": "Misavoana eny amin\u2019ny lanitra ireo tantsambo, Ary midina any amin\u2019ny rano\u00a0lalina avy\u00a0eo. Tsy manana herim-po intsony izy ireo noho ny loza mananontanona.",
        "27": "Tsy mandeha mahitsy izy ireo fa mivembena toy ny mamo, Ka lasa tsy misy ilana azy ny fahaizany rehetra.",
        "28": "Dia miantso vonjy amin\u2019i Jehovah izy ireo rehefa ao anatin\u2019ny sarotra, Ka afahany amin\u2019ny fahoriany.",
        "29": "Mampitony ny tafio-drivotra izy, Dia tsy misamboaravoara intsony ny onjan-dranomasina.",
        "30": "Faly izy ireo rehefa tony ireny, Ary tarihin\u2019Andriamanitra ho any amin\u2019ny seranana tiany hahatongavana izy ireo.",
        "31": "Misaora an\u2019i Jehovah noho izy be\u00a0fitiavana sy tsy mivadika, Sy noho ny zavatra mahatalanjona nataony ho an\u2019ny zanak\u2019olombelona.",
        "32": "Aoka izy ireo hanandratra azy eo anivon\u2019ny vahoaka tafavory, Sy hidera azy eo anivon\u2019ireo zokiolona.",
        "33": "Manova ny renirano ho tany efitra Andriamanitra, Sy manova ny loharano ho tany karakaina,",
        "34": "Ary ny tany mahavokatra ho tany ngazana feno sira, Noho ny ratsy ataon\u2019ny olona mipetraka\u00a0ao.",
        "35": "Manova ny tany efitra ho farihy anirian\u2019ny bararata izy, Ary manova ny tany maina ho lasa be\u00a0loharano.",
        "36": "Ataony monina ao ny noana Mba hanorina tan\u00e0na azon\u2019izy ireo ipetrahana.",
        "37": "Mamafy voa eny an-tsaha sady mamboly voaloboka izy ireo, Ka mahazo vokatra be.",
        "38": "Tahiny izy ireo ka lasa maro\u00a0be; Tsy avelany hihavitsy ny biby fiompiny.",
        "39": "Mihavitsy indray anefa izy ireo ary afa-baraka, Noho ny fampahoriana sy ny loza ary ny alahelo.",
        "40": "Ataony tototry ny fahafaham-baraka ny olona ambony, Ary ataony mirenireny any amin\u2019ny tany ngazana tsy misy lalana.",
        "41": "Fa arovany kosa ny mahantra mba tsy hisy hampijaly, Ary ataony lasa be dia be toy ny andiana biby fiompy ny fianakavian\u2019izy ireo.",
        "42": "Mahita an\u2019izany ny olo-marina ka faly; Fa mikombom-bava kosa ny olona tsy marina rehetra.",
        "43": "Handinika an\u2019izany ny hendry, Ary hisaintsaina lalina ny fitiavana sy ny tsy fivadihana nasehon\u2019i Jehovah."
    },
    "108": {
        "1": "Tsy miovaova mihitsy ny foko, Andriamanitra\u00a0\u00f4! Hihira sy hitendry mozika ho anao amin\u2019ny foko manontolo aho.",
        "2": "Mifohaza, ry zavamaneno fitendry\u00a0\u00f4! Ianao koa, ry\u00a0harpa\u00a0\u00f4! Hofohaziko ny maraina mangiran-dratsy.",
        "3": "Hidera anao eo amin\u2019ny vahoaka aho, Jehovah\u00a0\u00f4, Ary hihira fiderana ho anao eo amin\u2019ireo firenena.",
        "4": "Fa tena lehibe ny fitiavanao ka tonga hatreny amin\u2019ny lanitra, Ary ny tsy fivadihanao mipaka hatreny amin\u2019ny rahona.",
        "5": "Misandrata any ambonin\u2019ny lanitra, Andriamanitra\u00a0\u00f4! Enga anie ny voninahitrao hanerana ny tany manontolo!",
        "6": "Vonjeo amin\u2019ny tananao ankavanana izahay ka valio aho, Mba ho avotra ireo tianao.",
        "7": "Efa niteny ilay Andriamanitra masina hoe: \u201cHo faly aho hanome an\u2019i Sekema ho lovan\u2019ny vahoakako, Ary horefesiko ny Lohasahan\u2019i Sokota.",
        "8": "Ahy i Gileada, ary ahy koa i Manase; I Efraima no fiarovan-dohako, Ary i Joda no ataoko tehim-pahefana.",
        "9": "I Moaba no koveta isasako. Any Edoma no hanipazako ny kapako. Hihorakoraka sady ho faly aho rehefa resiko i Filistia.\u201d",
        "10": "Iza no hitondra ahy any amin\u2019ilay tan\u00e0na voaro mafy? Iza no hitarika ahy hatrany Edoma?",
        "11": "Tsy ianao ve, Andriamanitra\u00a0\u00f4, ilay nanary anay, Ilay Andriamanitray nefa tsy miaraka amin\u2019ny tafikay intsony?",
        "12": "Ampio izahay rehefa misy fahoriana mahazo anay, Fa tsy misy dikany ny famonjena avy amin\u2019ny olombelona.",
        "13": "Hahazo hery avy amin\u2019Andriamanitra izahay, Ary hanosihosy an\u2019ireo fahavalonay izy."
    },
    "109": {
        "1": "Ry Andriamanitra\u00a0\u00f4! Ianao no deraiko. Aza mangina fotsiny.",
        "2": "Fa manoka-bava hamelezana ahy ny ratsy fanahy sy ny mpamitaka. Milaza lainga momba ahy izy ireo;",
        "3": "Tototry ny teny feno fankahalana ataon\u2019ny manodidina aho, Ary miady amiko tsy amin\u2019antony izy ireo.",
        "4": "Fanoherana no avaliny ny fitiavako azy; Mbola mivavaka foana anefa aho.",
        "5": "Mamaly ratsy ny soa nataoko izy ireo, Ary fankahalana no avaliny ny fitiavako azy.",
        "6": "Manendre ratsy fanahy hanam-pahefana aminy; Hisy mpanohitra anie hitsangana eo ankavanany!",
        "7": "Enga anie izy ho hita fa meloka rehefa tsaraina; Enga anie hoheverina ho fahotana na dia ny vavaka ataony aza!",
        "8": "Aoka ho vitsy andro izy; Aoka ho lasan\u2019olon-kafa ny andraikitra notanany.",
        "9": "Aoka ho kamboty ray ny zanany, Ary ho mpitondratena ny vadiny.",
        "10": "Enga anie ho lasa mpangataka mirenireny ny zanany, Ka hitady hanina lavitry ny tranony efa ravarava.",
        "11": "Haka an\u2019izay rehetra ananany anie ny tompon-trosa, Ary horobain\u2019olon-tsy fantatra ny fananany!",
        "12": "Enga anie ka tsy hisy olona ho tsara fanahy aminy, Ary tsy hisy hiantra an\u2019ireo zanany kamboty ray!",
        "13": "Aoka haringana ny taranany; Hofafana anie ny anaran\u2019izy ireo ka tsy ho tsaroan\u2019ny taranaka mandimby azy!",
        "14": "Enga anie hotadidin\u2019i Jehovah ny fahadisoan\u2019ireo razambeny, Ary tsy hokosehina ny fahotan-dreniny!",
        "15": "Ho ao an-tsain\u2019i Jehovah foana anie izay nataon\u2019izy ireo, Ary hofoanany tsy ho eto an-tany ny fahatsiarovana azy ireo!",
        "16": "Tsy mba nahatsiaro haneho hatsaram-panahy mantsy izy\u00a0io, Fa nenjehiny foana ny olona mijaly sy ny mahantra ary ny torotoro\u00a0fo, Mba hamonoany azy ho faty.",
        "17": "Tia nanozona izy, ka voaozona; Tsy te hitso-drano izy, ka tsy nahazo tsodrano.",
        "18": "Ozona no nitafiany toy ny akanjo. Nararaka toy ny rano tao amin\u2019ny vatany izany, Ary toy ny menaka tao amin\u2019ny taolany.",
        "19": "Ho toy ny akanjo mandrakotra ny vatany anie ny ozona nataony, Ary ho toy ny fehikibo anaovany foana!",
        "20": "Izany no avalin\u2019i Jehovah an\u2019ilay manohitra ahy Sy avaliny an\u2019ireo manaratsy ahy.",
        "21": "Fa ianao kosa ry\u00a0Jehovah Tompo Fara Tampony\u00a0\u00f4, Ampio aho noho ny anaranao. Vonjeo aho, fa tsara ny fitiavanao sy ny tsy fivadihanao.",
        "22": "Fa tsy misy mpiaro aho sady mahantra, Ary voatsindrona ny foko ato anatiko.",
        "23": "Tsy hisy intsony toy ny aloka efa hanjavona aho, Ary akifika toy ny valala.",
        "24": "Mangozohozo ny lohaliko noho izaho mifady hanina; Mihamahia aho, ary mihakely hery.",
        "25": "Lasa esoesoin\u2019izy ireo aho. Mihivingivin-doha izy ireo rehefa mahita ahy.",
        "26": "Ampio aho, ry\u00a0Jehovah Andriamanitro\u00a0\u00f4! Vonjeo aho satria be fitiavana sy tsy mivadika ianao.",
        "27": "Enga anie ka ho fantany fa ny tananao no nanao an\u2019izany; Ho fantany fa ianao, Jehovah\u00a0\u00f4, no nanatanteraka an\u2019izany!",
        "28": "Aoka izy ireo hanozona, fa ianao kosa hitso-drano. Enga anie izy ireo ho menatra rehefa mitsangana hanohitra ahy, Fa ny mpanomponao kosa hifaly.",
        "29": "Aoka hitafy fahafaham-baraka ireo manohitra ahy; Enga anie handrakotra azy ireo toy ny akanjo lava ny henatr\u2019izy ireo!",
        "30": "Hafana fo hidera an\u2019i Jehovah ny vavako; Hidera azy eo anoloan\u2019ny olona be dia\u00a0be aho.",
        "31": "Fa hitsangana eo ankavanan\u2019ny mahantra izy, Mba hamonjy azy amin\u2019ireo manameloka azy."
    },
    "110": {
        "1": "Hoy i Jehovah tamin\u2019ny Tompoko: \u201cMipetraha eto ankavanako Mandra-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.\u201d",
        "2": "Hanitatra ny fahefanao avy ao Ziona i Jehovah, ka hoy izy: \u201cAnjakao tanteraka ny fahavalonao.\u201d",
        "3": "Hanolo-tena an-tsitrapo ny vahoakanao amin\u2019ny andro anafihan\u2019ny tafikao. Miravaka fahamasinana ireo tanoranao, Izay toy ny ando ateraky ny maraina.",
        "4": "Nianiana i Jehovah ary tsy hiova hevitra. Hoy izy: \u201cMpisorona mandrakizay ianao, Hoatran\u2019i Melkizedeka!\u201d",
        "5": "Ho eo ankavananao i Jehovah; Hanorotoro mpanjaka maro izy amin\u2019ny andro fahatezerany.",
        "6": "Hampihatra didim-pitsarana amin\u2019ireo firenena izy; Hofenoiny faty miampatrampatra ilay tany. Hotorotoroiny ny mpitarika an\u2019ilay tany midadasika.",
        "7": "Hisotro rano avy amin\u2019ny renirano izy eny an-dalana. Koa hatrakany tsara ny lohany."
    },
    "111": {
        "1": "Derao i Jah! \u05d0 [ Alefa ] Hidera an\u2019i Jehovah amin\u2019ny foko manontolo aho \u05d1 [ Beta ] Rehefa mivory miaraka amin\u2019ireo manao izay mahitsy sy rehefa eo anivon\u2019ny fiangonana. \u05d2 [ Gimela ]",
        "2": "Lehibe ny asan\u2019i Jehovah; \u05d3 [ Daleta ] Mianatra momba azy ireny izay rehetra mankafy an\u2019ireny. \u05d4 [ He ]",
        "3": "Heni-kaja sady mahavariana ny zavatra ataony, \u05d5 [ Vao ] Ary maharitra mandrakizay ny fahamarinany. \u05d6 [ Zaina ]",
        "4": "Ataony izay hahatsiarovana ny zavatra mahatalanjona nataony. \u05d7 [ Heta ] Mangoraka sy mamindra\u00a0fo i Jehovah. \u05d8 [ Teta ]",
        "5": "Omeny hanina ireo matahotra azy. \u05d9 [ Y\u00f4da ] Tsaroany mandrakizay ny fifanekena nataony. \u05db [ Kafa ]",
        "6": "Naharihariny tamin\u2019ny vahoakany ny fahagagana nataony, \u05dc [ Lameda ] Rehefa nomeny azy ireo ny lovan\u2019ireo firenena. \u05de [ Mema ]",
        "7": "Marina sy ara-drariny ny asan\u2019ny tanany; \u05e0 [ Nona ] Azo atokisana ny didiny rehetra. \u05e1 [ Sameka ]",
        "8": "Azo ianteherana foana ireny, amin\u2019izao ka hatrany amin\u2019ny mandrakizay; \u05e2 [ Aina ] Tamin\u2019ny fahamarinana sy fahitsiana no nanaovana azy ireny. \u05e4 [ Pe ]",
        "9": "Nanavotra ny vahoakany izy. \u05e6 [ Tsade ] Namoaka didy izy hoe haharitra mandrakizay ilay fifanekena nataony. \u05e7 [ K\u00f4fa ] Masina sy mendrika hatahorana ny anarany. \u05e8 [ Resa ]",
        "10": "Ny fahatahorana an\u2019i Jehovah no fiandohan\u2019ny fahendrena. \u05e9 [ Sina ] Tena lalin-tsaina izay rehetra mankat\u00f2 ny didiny. \u05ea [ Tao ] Hoderaina mandrakizay izy."
    },
    "112": {
        "1": "Derao i Jah! \u05d0 [ Alefa ] Sambatra izay olona matahotra an\u2019i Jehovah, \u05d1 [ Beta ] Sy finaritra er\u1ef3 mankat\u00f2 ny didiny. \u05d2 [ Gimela ]",
        "2": "Hahery eto an-tany ny taranany, \u05d3 [ Daleta ] Ary hotahina ny taranaky ny olona manao izay mahitsy. \u05d4 [ He ]",
        "3": "Fananana sy harena no ao an-tranony, \u05d5 [ Vao ] Ary maharitra mandrakizay ny fahamarinany. \u05d6 [ Zaina ]",
        "4": "Mamirapiratra toy ny hazavana ao anaty haizina izy amin\u2019ny olona manao izay mahitsy. \u05d7 [ Heta ] Mangoraka sy mamindra\u00a0fo ary manao ny marina izy. \u05d8 [ Teta ]",
        "5": "Mandeha tsara ny fiainan\u2019izay mampisambotra sady malala-tanana. \u05d9 [ Y\u00f4da ] Manao ny rariny izy amin\u2019izay ataony. \u05db [ Kafa ]",
        "6": "Tsy hangozohozo mihitsy izy. \u05dc [ Lameda ] Hotsaroana mandrakizay ny olo-marina. \u05de [ Mema ]",
        "7": "Tsy hatahotra handre vaovao ratsy izy. \u05e0 [ Nona ] Tsy miovaova mihitsy ny fony, fa matoky an\u2019i Jehovah. \u05e1 [ Sameka ]",
        "8": "Feno toky ny fony; tsy matahotra izy; \u05e2 [ Aina ] Ho faly izy hahita hoe resy ny fahavalony. \u05e4 [ Pe ]",
        "9": "Mizara fanomezana be dia\u00a0be izy; manome ho an\u2019ny mahantra izy. \u05e6 [ Tsade ] Maharitra mandrakizay ny fahamarinany. \u05e7 [ K\u00f4fa ] Hitombo ny heriny ary hahazo voninahitra izy. \u05e8 [ Resa ]",
        "10": "Hahita an\u2019izany ny ratsy fanahy ka ho sosotra. \u05e9 [ Shina ] Hihidy vazana izy ary hanjavona. \u05ea [ Tao ] Tsy ho tanteraka ny fanirian\u2019ny ratsy fanahy."
    },
    "113": {
        "1": "Derao i Jah! Derao izy, ry\u00a0mpanompon\u2019i Jehovah. Derao ny anaran\u2019i Jehovah.",
        "2": "Hoderaina anie ny anaran\u2019i Jehovah Manomboka izao ka ho mandrakizay!",
        "3": "Aoka hoderaina ny anaran\u2019i Jehovah, Hatrany amin\u2019ny fiposahan\u2019ny masoandro ka hatrany amin\u2019ny filentehany.",
        "4": "Avo noho ny firenena rehetra i Jehovah; Ambony noho ny lanitra ny voninahiny.",
        "5": "Iza no mitovy amin\u2019i Jehovah Andriamanitsika, Ilay monina any amin\u2019ny avo?",
        "6": "Miondrika izy mba hijery ny any an-danitra sy ny et\u1ef3 an-tany,",
        "7": "Ka atsangany hiala amin\u2019ny vovoka ny olona ambany. Ampiakariny avy eo amin\u2019ny lavenona misavovona ny mahantra,",
        "8": "Mba hiara-mipetraka amin\u2019ny olona ambony, Dia ny olona ambony eo amin\u2019ny vahoakany.",
        "9": "Omeny trano ny vehivavy tsy niteraka, Ka ataony lasa reny falifaly manana zanaka maro. Derao i Jah!"
    },
    "114": {
        "1": "Rehefa nivoaka avy tany Ejipta ny Israely, Ary nandao firenena mampiasa teny vahiny ny taranak\u2019i Jakoba,",
        "2": "Dia lasa toerany masina i Joda, Ary lasa faritra anjakany i Israely.",
        "3": "Nahita an\u2019izany ny ranomasina ka nandositra; Niverin-dalana ny Reniranon\u2019i Jordana.",
        "4": "Nitsambikimbikina toy ny ondrilahy ny tendrombohitra, Ary ny havoana nitsambikimbikina hoatran\u2019ny zanak\u2019ondry.",
        "5": "Fa inona no nampandositra anao, ry\u00a0ranomasina? Ary nahoana ianao no niverin-dalana, ry\u00a0Jordana?",
        "6": "Maninona ianareo, ry tendrombohitra, no nitsambikimbikina toy ny ondrilahy, Ary ianareo, ry\u00a0havoana, no nitsambikimbikina hoatran\u2019ny zanak\u2019ondry?",
        "7": "Mangovita, ry\u00a0tany, noho ny amin\u2019ny Tompo, Noho ny amin\u2019Andriamanitr\u2019i Jakoba,",
        "8": "Izay manova ny vatolampy ho farihy anirian\u2019ny bararata, Ary ny vatoafo ho loharano."
    },
    "115": {
        "1": "Aza izahay, Jehovah\u00a0\u00f4, aza izahay Fa ny anaranao no omena voninahitra Satria be fitiavana sy tsy mivadika ianao ary mendri-pitokisana.",
        "2": "Nahoana ireo firenena no dia hilaza hoe: \u201cAiza izay mba Andriamanitr\u2019ireo?\u201d",
        "3": "Any an-danitra ny Andriamanitray, Ary ataony izay rehetra tiany.",
        "4": "Volafotsy sy volamena ny sampin\u2019izy ireo, Sady asa tanan\u2019olombelona.",
        "5": "Manam-bava ireny sampy ireny, fa tsy miteny; Mana-maso, fa tsy mahita;",
        "6": "Manan-tsofina, fa tsy maheno; Manana orona, fa tsy mandre fofona;",
        "7": "Manan-tanana, fa tsy mahatsapa; Manan-tongotra, fa tsy mandeha; Ary tsy mahavoaka feo ny tendany.",
        "8": "Ho lasa hoatr\u2019ireny ny olona manao azy, Sy izay rehetra matoky azy.",
        "9": "Matokia an\u2019i Jehovah, ry\u00a0Israely\u00a0\u00f4! \u2014Izy no mpanampy sy ampingan\u2019izy ireo.",
        "10": "Matokia an\u2019i Jehovah, ry\u00a0taranak\u2019i Arona\u00a0\u00f4! \u2014Izy no mpanampy sy ampingan\u2019izy ireo.",
        "11": "Ianareo izay matahotra an\u2019i Jehovah, matokia an\u2019i Jehovah. \u2014Izy no mpanampy sy ampingan\u2019izy ireo.",
        "12": "Mahatsiaro antsika i Jehovah, ka hitahy antsika; Hotahiny ny taranak\u2019Israely; Hotahiny ny taranak\u2019i Arona.",
        "13": "Hotahiny izay rehetra matahotra an\u2019i Jehovah, Na ny kely na ny lehibe.",
        "14": "Hataon\u2019i Jehovah mitombo isa ianareo, Dia ianareo sy ny zanakareo.",
        "15": "Hitahy anareo anie i Jehovah, Ilay Mpanao ny lanitra sy ny tany.",
        "16": "Ny lanitra dia an\u2019i Jehovah, Fa ny tany kosa nomeny ho an\u2019ny zanak\u2019olombelona.",
        "17": "Tsy midera an\u2019i Jah ny maty, Dia izay midina any amin\u2019ny fahafatesana.",
        "18": "Fa isika kosa hidera an\u2019i\u00a0Jah Manomboka izao ka ho mandrakizay. Derao i Jah!"
    },
    "116": {
        "1": "Tiako i Jehovah, Satria mihaino ny feoko izy, dia ny fitalahoako fanampiana.",
        "2": "Fa manongilan-tsofina mihaino ahy izy, Ka hiantso azy aho raha mbola velona koa.",
        "3": "Namatotra ahy toy ny tady ny fahafatesana; Nangeja ahy ny Fasana. Tototry ny fahoriana sy ny alahelo aho.",
        "4": "Niantso ny anaran\u2019i Jehovah anefa aho, ka niteny hoe: \u201cJehovah\u00a0\u00f4, vonjeo aho!\u201d",
        "5": "Mangoraka sy manao ny rariny i Jehovah; Mamindra fo ny Andriamanitsika.",
        "6": "Miaro an\u2019ireo mbola tsy dia nahita fiainana i Jehovah. Kivy be aho, ka novonjeny.",
        "7": "Hilamin-tsaina indray aho, Fa tsara fanahy amiko i Jehovah.",
        "8": "Novonjenao tsy ho faty aho, Nosakananao tsy hirotsaka ny ranomasoko, ary tsy ho tafintohina ny tongotro.",
        "9": "Handeha eo anatrehan\u2019i Jehovah aho, eo amin\u2019ny tanin\u2019ny velona.",
        "10": "Nino aho ka niteny; Nijaly be mihitsy aho.",
        "11": "Natahotra be aho ka niteny hoe: \u201cMpandainga daholo ny olona rehetra.\u201d",
        "12": "Inona no havaliko an\u2019i Jehovah Noho ny soa rehetra nataony tamiko?",
        "13": "Horaisiko ny kaopin\u2019ny famonjena, Ary hiantso ny anaran\u2019i Jehovah aho.",
        "14": "Hanefa ny voadiko amin\u2019i Jehovah aho, Eo anatrehan\u2019ny vahoakany rehetra.",
        "15": "Tena mafy amin\u2019i Jehovah Ny fahafatesan\u2019ireo olona tsy mivadika aminy.",
        "16": "Jehovah\u00a0\u00f4, mitalaho aminao\u00a0aho Fa mpanomponao! Mpanomponao aho sady zanaky ny mpanompovavinao. Novahanao ny fatorako.",
        "17": "Hanolotra sorona fisaorana ho anao aho; Hiantso ny anaran\u2019i Jehovah aho.",
        "18": "Hanefa ny voadiko amin\u2019i Jehovah aho, Eo anatrehan\u2019ny vahoakany rehetra,",
        "19": "Eo an-tokotanin\u2019ny tranon\u2019i Jehovah, Eo afovoanao, ry Jerosalema\u00a0\u00f4! Derao i Jah!"
    },
    "117": {
        "1": "Derao i Jehovah, ry\u00a0firenena rehetra! Omeo voninahitra izy, ry\u00a0vahoaka rehetra!",
        "2": "Fa tena tia antsika sy tsy mivadika amintsika izy; Mendri-pitokisana mandrakizay i Jehovah. Derao i Jah!"
    },
    "118": {
        "1": "Misaora an\u2019i Jehovah fa tsara izy; Be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.",
        "2": "Aoka ny Israely hilaza hoe: \u201cBe fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.\u201d",
        "3": "Aoka ny taranak\u2019i Arona hilaza hoe: \u201cBe fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.\u201d",
        "4": "Aoka izay matahotra an\u2019i Jehovah hilaza hoe: \u201cBe fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.\u201d",
        "5": "Niantso an\u2019i Jah aho tao anatin\u2019ny sarotra, Dia namaly ahy i Jah ka nitondra ahy nankeo amin\u2019ny toerana tsy mampidi-doza.",
        "6": "Manohana ahy i Jehovah, ka tsy hatahotra aho. Inona moa no azon\u2019ny olona atao amiko?",
        "7": "Manohana ahy i Jehovah, ka izy no mpanampy ahy; Ho faly aho hahita hoe resy ny mpankahala ahy.",
        "8": "Aleo mialoka amin\u2019i Jehovah Toy izay matoky olona.",
        "9": "Aleo mialoka amin\u2019i Jehovah Toy izay matoky andriana.",
        "10": "Nanodidina ahy ny firenena rehetra; Tamin\u2019ny anaran\u2019i Jehovah anefa No nanoherako azy ireny.",
        "11": "Nanodidina ahy izy ireny, eny, voahodidina tanteraka aho; Tamin\u2019ny anaran\u2019i Jehovah anefa No nanoherako azy ireny.",
        "12": "Nitangorona tamiko toy ny tantely izy ireny, Nefa vetivety dia maty hoatran\u2019ny afon-tsilo. Tamin\u2019ny anaran\u2019i Jehovah No nanoherako azy ireny.",
        "13": "Nisy nanosika mafy aho mba hianjera, Nefa nanampy ahy i Jehovah.",
        "14": "I Jah no fialofako sy heriko, Ary izy no lasa mpamonjy ahy.",
        "15": "Feon\u2019olona mifaly sy voavonjy No re ao amin\u2019ny tranolain\u2019ny olo-marina. Maneho ny heriny ny tanana ankavanan\u2019i Jehovah.",
        "16": "Misandratra ny tanana ankavanan\u2019i Jehovah; Maneho ny heriny ny tanana ankavanan\u2019i Jehovah.",
        "17": "Tsy ho faty aho fa ho velona, Mba hanambara ny asan\u2019i Jah.",
        "18": "Nanafay mafy ahy i Jah, Nefa tsy namela ahy ho faty.",
        "19": "Sokafy ireo vavahadin\u2019ny fahamarinana, Dia hiditra aho ka hidera an\u2019i Jah.",
        "20": "Ity ny vavahadin\u2019i Jehovah. Hiditra eo ny olo-marina.",
        "21": "Hidera anao aho, fa namaly ahy ianao, Ary ianao no lasa mpamonjy ahy.",
        "22": "Ny vato tsy tian\u2019ny mpanao trano No lasa vato fehizoro lehibe indrindra.",
        "23": "Avy amin\u2019i Jehovah izany, Ka mahatalanjona eo imasontsika.",
        "24": "Izao no andro nataon\u2019i Jehovah; Hifaly sy hiravoravo isika mandritra izany.",
        "25": "Jehovah\u00a0\u00f4, mba vonjeo re\u00a0e! Miangavy re\u00a0e! Jehovah\u00a0\u00f4, mba ataovy maharesy re izahay\u00a0e!",
        "26": "Hotahina anie ilay tonga amin\u2019ny anaran\u2019i Jehovah! Avy ao an-tranon\u2019i Jehovah izahay no mitso-drano anareo.",
        "27": "I Jehovah no Andriamanitra; Manome antsika hazavana izy. Mitondr\u00e0 rantsankazo eny an-tananao, ary mandehana milahatra miaraka amin\u2019ireo mpanao fety Hatreny amin\u2019ny tandroky ny alitara.",
        "28": "Andriamanitro ianao, ary hidera anao aho; Hanandratra anao aho, ry Andriamanitro\u00a0\u00f4!",
        "29": "Misaora an\u2019i Jehovah fa tsara izy; Be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay."
    },
    "119": {
        "1": "Sambatra izay tsy misy tsiny amin\u2019ny zavatra ataony, Dia izay mankat\u00f2 ny lal\u00e0n\u2019i Jehovah.",
        "2": "Sambatra izay manaraka ny fampahatsiahivany, Dia ireo mitady azy amin\u2019ny fo manontolo.",
        "3": "Tsy mba zatra manao ny tsy marina ireny, Fa mandeha amin\u2019ny lalana atoron\u2019Andriamanitra.",
        "4": "Nanome baiko ianao Hoe tokony harahina tsara ny didinao.",
        "5": "Tiako aho raha mba tsy mivadika hoatr\u2019izao foana, Ka mankat\u00f2 an\u2019ireo fitsipikao!",
        "6": "Dia tsy ho menatra aho Rehefa mandinika ny didinao rehetra.",
        "7": "Hidera anao amin\u2019ny fo madio aho, Rehefa fantatro fa ara-drariny ny didim-pitsaranao.",
        "8": "Hankat\u00f2 ny fitsipikao aho. Enga anie ianao tsy hahafoy tanteraka ahy mihitsy! \u05d1 [ Beta ]",
        "9": "Inona no tokony hataon\u2019ny tanora raha te hanao ny tsara foana izy? Mila mitandrin-tena izy ka mankat\u00f2 ny teninao.",
        "10": "Amin\u2019ny foko manontolo no itadiavako anao. Aza avela hiala amin\u2019ny didinao aho.",
        "11": "Ato am-poko no itehirizako ny teninao Mba tsy hanotako aminao.",
        "12": "Hoderaina anie ianao, Jehovah\u00a0\u00f4! Ampianaro ahy ny fitsipikao.",
        "13": "Ny molotro no anambarako Ny didim-pitsarana rehetra navoakanao.",
        "14": "Mahafaly ahy ny fampahatsiahivanao, Mahafaly ahy mihoatra noho ny zava-tsarobidy hafa rehetra.",
        "15": "Hisaintsaina ny didinao aho, Ary handinika ny lalanao.",
        "16": "Mahafinaritra ahy ny fitsipikao. Tsy hohadinoiko ny teninao. \u05d2 [ Gimela ]",
        "17": "Anehoy hatsaram-panahy ity mpanomponao, Mba ho velona sy hankat\u00f2 ny teninao.",
        "18": "Sokafy ny masoko mba ho hitako tsara Ny zavatra mahatalanjona ao amin\u2019ny lal\u00e0nao.",
        "19": "Vahiny eto amin\u2019ity tany ity aho. Aza afenina ahy ny didinao.",
        "20": "Maniry mafy hahafantatra Ny didim-pitsaranao foana aho.",
        "21": "Teneninao mafy ireo sahisahy ratsy, Dia ireo olom-boaozona miala amin\u2019ny didinao.",
        "22": "Esory amiko ny fahafaham-baraka sy ny fanambaniana, Fa manaraka ny fampahatsiahivanao aho.",
        "23": "Na dia miara-mipetraka mba hanohitra ahy aza ny andriana, Dia misaintsaina ny fitsipikao ity mpanomponao.",
        "24": "Mahafinaritra ahy ny fampahatsiahivanao; Ireny no manoro hevitra ahy. \u05d3 [ Daleta ]",
        "25": "Mihohoka matory eo amin\u2019ny vovoka aho. Tsimbino ny aiko, araka izay nolazainao.",
        "26": "Nolazaiko anao izay nataoko, dia namaly ahy ianao; Ampianaro ahy ny fitsipikao.",
        "27": "Ataovy azoko tsara ny hevitry ny didinao, Mba hisaintsainako ny zavatra mahatalanjona nataonao.",
        "28": "Tsy nahita tory aho noho ny alahelo. Ampaherezo aho, araka izay nolazainao.",
        "29": "Aza avela handeha amin\u2019ny lalana feno fitaka aho, Ary iantrao ka ampahafantaro ny lal\u00e0nao.",
        "30": "Ny lalan\u2019ny tsy fivadihana no nofidiko. Ekeko hoe ara-drariny ny didim-pitsaranao.",
        "31": "Mifikitra amin\u2019ny fampahatsiahivanao aho. Aza avela ho diso fanantenana aho, Jehovah\u00a0\u00f4!",
        "32": "Ho mailaka hampihatra ny didinao aho eo amin\u2019ny fiainako, Satria halalahinao ny foko mba ho afaka handray an\u2019izany. \u05d4 [ He ]",
        "33": "Ampianaro ahy ny lalan\u2019ny fitsipikao, Jehovah\u00a0\u00f4, Dia hanaraka an\u2019izany hatramin\u2019ny farany aho.",
        "34": "Ataovy mahira-tsaina aho, Mba hankatoavako ny lal\u00e0nao Sy hitandremako azy amin\u2019ny foko manontolo.",
        "35": "Tariho eo amin\u2019ny lalan\u2019ny didinao aho, Fa mahafinaritra ahy izany.",
        "36": "Ataovy izay hahatonga ny foko ho tia ny fampahatsiahivanao, Fa tsy ho tia tombony.",
        "37": "Aza avela hijery zavatra tsy misy ilana azy ny masoko; Ampandehano amin\u2019ny lalanao aho mba ho voatsimbina ny aiko.",
        "38": "Tanteraho amin\u2019ny mpanomponao izay nampanantenainao, Mba hatahorana anao.",
        "39": "Esory amiko ny fahafaham-baraka atahorako, Fa tsara ny didim-pitsaranao.",
        "40": "Jereo fa maniry mafy hankat\u00f2 ny didinao aho. Tsimbino ny aiko noho ny fahamarinanao. \u05d5 [ Vao ]",
        "41": "Enga anie ho tsapako, Jehovah\u00a0\u00f4, fa tia ahy sy tsy mivadika amiko ianao, Ary mamonjy ahy araka ny efa nampanantenainao;",
        "42": "Dia hovaliako ilay manaratsy ahy, Fa matoky ny teninao aho.",
        "43": "Aza esorina tanteraka eo am-bavako ny tenin\u2019ny fahamarinana, Fa manantena ny didim-pitsaranao aho.",
        "44": "Hankatoaviko foana ny lal\u00e0nao, Mandrakizay mandrakizay.",
        "45": "Ary handehandeha eny amin\u2019ny toerana tsy mampidi-doza aho, Satria mikaroka ny didinao.",
        "46": "Hilaza ny fampahatsiahivanao eo anatrehan\u2019ireo mpanjaka aho, Ary tsy ho menatra.",
        "47": "Mahafinaritra ahy ny didinao; Eny, tiako ireny.",
        "48": "Hanandra-tanana hivavaka aho satria tiako ny didinao, Ary hosaintsainiko ny fitsipikao. \u05d6 [ Zaina ]",
        "49": "Tsarovy ny teninao tamiko mpanomponao, Izay nanomezanao ahy fanantenana.",
        "50": "Izany no mampionona ahy rehefa ao anatin\u2019ny fahoriana aho. Nitsimbina ny aiko mantsy ny teninao.",
        "51": "Maneso ahy loatra ny olona sahisahy ratsy, Nefa arahiko foana ny lal\u00e0nao.",
        "52": "Mahatsiaro ny didim-pitsaranao fahiny aho, Jehovah\u00a0\u00f4, Ary mampionona ahy ireny.",
        "53": "Romotry ny hatezerana aho noho ny ratsy fanahy, Izay tsy miraharaha ny lal\u00e0nao.",
        "54": "Ny fitsipikao no ataoko hira, Na aiza na aiza onenako.",
        "55": "Mahatsiaro ny anaranao aho mandritra ny alina, Jehovah\u00a0\u00f4, Mba hankatoavako ny lal\u00e0nao.",
        "56": "Izany no fanaoko, Satria mankat\u00f2 ny didinao aho. \u05d7 [ Heta ]",
        "57": "I Jehovah no anjarako; Efa nampanantena aho fa hanaraka ny teninao.",
        "58": "Miangavy anao amin\u2019ny foko manontolo aho; Iantrao aho, araka ny efa nampanantenainao.",
        "59": "Dinihiko tsara ny lalako, Mba hanitsiako ny diako ka hanarahako indray ny fampahatsiahivanao.",
        "60": "Mailaka be aho fa tsy mangataka andro Mankat\u00f2 ny didinao.",
        "61": "Mihodidina amiko ny tadin\u2019ny ratsy fanahy, Nefa tsy hadinoko ny lal\u00e0nao.",
        "62": "Mifoha aho amin\u2019ny misasakalina mba hisaotra anao, Fa ara-drariny ny didim-pitsaranao.",
        "63": "Naman\u2019izay rehetra matahotra anao aho, Ary naman\u2019izay mankat\u00f2 ny didinao.",
        "64": "Manenika ny tany ny fitiavanao sy ny tsy fivadihanao, Jehovah\u00a0\u00f4! Ampianaro ahy ny fitsipikao. \u05d8 [ Teta ]",
        "65": "Manao soa amin\u2019ny mpanomponao ianao, Jehovah\u00a0\u00f4, araka ny efa nolazainao.",
        "66": "Ampianaro hisaina tsara sy hanam-pahalalana aho, Fa atokisako ny didinao.",
        "67": "Diso lalana aho tamin\u2019izaho mbola tsy nijaly, Fa efa mankat\u00f2 ny teninao kosa aho izao.",
        "68": "Tsara ianao ary tsara ny zavatra ataonao. Ampianaro ahy ny fitsipikao.",
        "69": "Manoso-potaka ahy ny olona sahisahy ratsy, Fa izaho kosa mankat\u00f2 ny didinao amin\u2019ny foko manontolo.",
        "70": "Tsy mihontsina ny fon\u2019ireny, Fa izaho kosa finaritra amin\u2019ny lal\u00e0nao.",
        "71": "Soa ihany aho fa nampahorina, Mba hianarako ny fitsipikao.",
        "72": "Mahasoa ahy ny lal\u00e0na nambaranao, Mahasoa ahy noho ny volamena sy volafotsy an\u2019arivony. \u05d9 [ Y\u00f4da ]",
        "73": "Ny tananao no nanao sy namolavola ahy. Ataovy mahira-tsaina\u00a0aho Mba hianarako ny didinao.",
        "74": "Mahita ahy ireo matahotra anao ka faly, Satria ny teninao no antenaiko.",
        "75": "Fantatro, Jehovah\u00a0\u00f4, fa ara-drariny ny didim-pitsaranao, Ary noho ianao tsy mivadika, dia faizinao aho.",
        "76": "Hampionona ahy anie ny fitiavanao sy ny tsy fivadihanao, Araka ny nampanantenainao ny mpanomponao!",
        "77": "Amindrao fo aho mba ho velona foana, Fa mahafinaritra ahy ny lal\u00e0nao.",
        "78": "Enga anie ho afa-baraka ireo sahisahy ratsy, Satria manisy ratsy ahy tsy amin\u2019antony. Fa izaho kosa hisaintsaina ny didinao.",
        "79": "Aoka hiaraka amiko indray ireo matahotra anao, Dia ireo mahafantatra ny fampahatsiahivanao.",
        "80": "Enga anie ny foko tsy hisy tsiny rehefa mankat\u00f2 ny fitsipikao, Mba tsy ho menatra aho! \u05db [ Kafa ]",
        "81": "Tsy andriko izay hamonjenao ahy, Satria ny teninao no antenaiko.",
        "82": "Sasa-miandry ny hahatanterahan\u2019ny teninao ny masoko, Ka hoy aho: \u201cMba rahoviana ihany ianao vao hampionona ahy?\u201d",
        "83": "Fa toy ny siny hoditra mainan\u2019ny setroka aho, Nefa tsy hadinoko ny fitsipikao.",
        "84": "Firy andro ny mpanomponao no tsy maintsy miandry? Rahoviana ihany ianao no hampihatra didim-pitsarana amin\u2019ireo manenjika ahy?",
        "85": "Mihady lavaka hamandrihana ahy ny olona sahisahy ratsy, Dia ireo tsy mety manaraka ny lal\u00e0nao.",
        "86": "Azo atokisana ny didinao rehetra. Vonjeo aho fa misy manenjika tsy amin\u2019antony!",
        "87": "Efa saika nofongoran\u2019izy ireo tsy ho eto an-tany aho, Nefa izaho tsy nahafoy ny didinao.",
        "88": "Tsimbino ny aiko noho ianao be\u00a0fitiavana sy tsy mivadika, Mba hanarahako ny fampahatsiahivana nolazainao. \u05dc [ Lameda ]",
        "89": "Mandrakizay, Jehovah\u00a0\u00f4, Haharitra mandrakizay any an-danitra ny teninao.",
        "90": "Maharitra hatramin\u2019ny taranaka fara aman-dimby ny tsy fivadihanao. Nataonao mafy orina ny tany mba ho eo foana.",
        "91": "Araka ny didim-pitsarana navoakanao, dia mbola eo ireo mandraka androany, Satria mpanomponao izy rehetra.",
        "92": "Raha tsy ny lal\u00e0nao no nahafinaritra ahy, Dia ho efa maty tao anatin\u2019ny fahoriako aho hoatr\u2019izay.",
        "93": "Tsy hohadinoiko mihitsy ny didinao, Satria ireny no itsimbinanao ny aiko.",
        "94": "Anao aho; vonjeo aho Satria ny didinao no karohiko.",
        "95": "Miandry kendry tohina fotsiny ny ratsy fanahy mba hamonoana ahy, Fa izaho kosa mandinika tsara an\u2019ireo fampahatsiahivanao.",
        "96": "Hitako fa manam-petra ihany izay rehetra tonga lafatra, Fa ny didinao kosa tsy manam-petra. \u05de [ Mema ]",
        "97": "Tiako er\u1ef3 ny lal\u00e0nao, Ka saintsainiko tontolo andro!",
        "98": "Mahatonga ahy ho hendry noho ny fahavaloko ny didinao, Satria ato anatiko mandrakizay izany.",
        "99": "Lalin-tsaina kokoa noho ny mpampianatra ahy rehetra aho, Satria misaintsaina an\u2019ireo fampahatsiahivanao.",
        "100": "Mahira-tsaina kokoa noho ny zokiolona aho amin\u2019izay rehetra ataoko, Satria mankat\u00f2 ny didinao.",
        "101": "Tsy manaiky handeha amin\u2019ny lalan-dratsy aho, Mba hahafahako manaraka ny teninao.",
        "102": "Tsy miala amin\u2019ny didim-pitsaranao aho, Satria ianao no mampianatra ahy.",
        "103": "Mamy amin\u2019ny lelako er\u1ef3 ny teninao, Mamy ao am-bavako mihoatra noho ny tantely!",
        "104": "Ny didinao no mahatonga ahy hahira-tsaina amin\u2019izay ataoko, Ka halako ny lalan-diso rehetra. \u05e0 [ Nona ]",
        "105": "Jiro ho an\u2019ny tongotro ny teninao, Sady fahazavana ho an\u2019ny lalako.",
        "106": "Nianiana aho ary hotanterahiko izany, Dia ny hoe harahiko ny didim-pitsaranao ara-drariny.",
        "107": "Ampahorina mafy aho. Jehovah\u00a0\u00f4, tsimbino ny aiko araka ny efa nolazainao.",
        "108": "Jehovah\u00a0\u00f4, mba ankasitraho re ny fanati-piderana atolotro anao an-tsitrapo e, Ary ampianaro ahy ny didim-pitsaranao!",
        "109": "Tandindomin-doza foana ny aiko, Nefa tsy manadino ny lal\u00e0nao aho.",
        "110": "Mamelatra fandrika hahazoana ahy ny ratsy fanahy, Nefa tsy mahafoy ny didinao aho.",
        "111": "Raisiko ho fananako mandrakizay ny fampahatsiahivanao, Fa ireny no mahafaly ny foko.",
        "112": "Tapa-kevitra ny hankat\u00f2 ny fitsipikao aho, Eny, hankat\u00f2 an\u2019izany foana, hatramin\u2019ny farany. \u05e1 [ Sameka ]",
        "113": "Halako ny olona miroaroa saina, Fa tiako kosa ny lal\u00e0nao.",
        "114": "Fialofako sy ampingako ianao, Satria ny teninao no antenaiko.",
        "115": "Aza manakaikikaiky ahy mihitsy ianareo mpanao ratsy, Mba hankatoavako ny didin\u2019Andriamanitro.",
        "116": "Ampio aho, araka ny efa nampanantenainao, Mba ho velona foana. Aza avela ho diso fanantenana aho.",
        "117": "Ampio aho mba ho voavonjy, Dia hifantoka foana amin\u2019ny fitsipikao.",
        "118": "Lavinao daholo izay tsy manaraka ny fitsipikao, Satria mandainga izy ireo sady mamitaka.",
        "119": "Arianao toy ny tain-drendrika ny ratsy fanahy rehetra eto an-tany. Izany no itiavako ny fampahatsiahivanao.",
        "120": "Mipararetra aho fa matahotra anao; Atahorako ny didim-pitsaranao. \u05e2 [ Aina ]",
        "121": "Manao ny rariny sy ny hitsiny aho. Aza afoy eo an-tanan\u2019ireo mpampijaly aho!",
        "122": "Ataovy azo antoka hoe hahita soa ny mpanomponao; Enga anie tsy hampijaly ahy ny olona sahisahy ratsy!",
        "123": "Reraka ny masoko miandry ny famonjenao Sy ny fampanantenana azo antoka nataonao.",
        "124": "Asehoy hoe tianao ny mpanomponao sady tsy mivadika aminy ianao, Ary ampianaro ahy ny fitsipikao.",
        "125": "Mpanomponao aho; ataovy mahira-tsaina aho, Mba ho azoko ny fampahatsiahivanao.",
        "126": "Tonga ny fotoana anaovan\u2019i Jehovah zavatra, Fa mandika ny lal\u00e0nao izy ireo.",
        "127": "Izany no itiavako ny didinao Mihoatra noho ny volamena, na dia ny volamena tena tsara aza.",
        "128": "Koa amiko dia marina daholo ny toromarika omenao; Halako ny lalan-diso rehetra. \u05e4 [ Pe ]",
        "129": "Mahatalanjona ny fampahatsiahivanao. Izany no antony anarahako azy ireny.",
        "130": "Lasa misy hazavana rehefa aharihary ny teninao, Ka manjary mahira-tsaina ireo mbola tsy dia nahita fiainana.",
        "131": "Sokafako mitanatana ny vavako ary misento aho, Satria maniry mafy hankat\u00f2 an\u2019ireo didinao.",
        "132": "Tsinjovy aho ka iantrao, Araka ny didim-pitsarana navoakanao ho an\u2019ireo tia ny anaranao.",
        "133": "Tariho amin\u2019ny alalan\u2019ny teninao aho mba ho voaro ny diako; Enga anie tsy hisy zava-dratsy hanandevo ahy!",
        "134": "Vonjeo tsy ho azon\u2019ny olona mpampijaly aho, Dia hankatoaviko ny didinao.",
        "135": "Aoka ianao ho miramirana amin\u2019ny mpanomponao, Ary ampianaro ahy ny fitsipikao.",
        "136": "Mikoriana ny ranomasoko, Satria tsy mankat\u00f2 ny lal\u00e0nao ny olona. \u05e6 [ Tsade ]",
        "137": "Tia rariny ianao, Jehovah\u00a0\u00f4, Ary ara-drariny ny didim-pitsaranao.",
        "138": "Marina ny fampahatsiahivana omenao, Sady azo atokisana tanteraka.",
        "139": "Toy ny afo miredareda ato anatiko ny hafanam-poko, Satria nohadinoin\u2019ny fahavaloko ny teninao.",
        "140": "Madio tsara ny teninao, Ka tian\u2019ny mpanomponao.",
        "141": "Tsinontsinona aho ary ambanina, Nefa tsy mba hadinoko ny didinao.",
        "142": "Fahamarinana mandrakizay ny fahamarinanao, Ary marina ny lal\u00e0nao.",
        "143": "Na dia azom-pahoriana sy miatrika zava-tsarotra aza aho, Dia mahafinaritra ahy foana ny didinao.",
        "144": "Marina mandrakizay ny fampahatsiahivanao. Ataovy mahira-tsaina aho mba ho velona foana. \u05e7 [ K\u00f4fa ]",
        "145": "Miantso anao amin\u2019ny foko manontolo aho ka valio, Jehovah\u00a0\u00f4! Ny fitsipikao no hankatoaviko.",
        "146": "Miantso anao aho; vonjeo aho! Harahiko ny fampahatsiahivanao.",
        "147": "Mbola tsy mangiran-dratsy akory dia efa mifoha aho mba hiantso vonjy aminao, Satria ny teninao no antenaiko.",
        "148": "Mbola tsy mifarana ny fiambenana amin\u2019ny alina dia efa mihiratra ny masoko, Mba ho afaka hisaintsaina ny teninao aho.",
        "149": "Henoy aho noho ianao be\u00a0fitiavana sy tsy mivadika. Jehovah\u00a0\u00f4, tsimbino ny aiko satria manao ny rariny ianao.",
        "150": "Mihamanakaiky ireo manana fitondran-tena mahamenatra; Halavirin\u2019izy ireo ny lal\u00e0nao.",
        "151": "Akaiky ianao, Jehovah\u00a0\u00f4, Ary marina daholo ny didinao.",
        "152": "Efa hatry ny ela no nahafantarako an\u2019ireo fampahatsiahivanao, Izay nataonao mafy orina mandrakizay. \u05e8 [ Resa ]",
        "153": "Jereo ny fahoriako ka vonjeo aho, Fa tsy mba hadinoko ny lal\u00e0nao.",
        "154": "Arovy aho, ary vonjeo aho; Tsimbino ny aiko, araka ny efa nampanantenainao.",
        "155": "Lavitra ny ratsy fanahy ny famonjena, Satria tsy mikaroka ny fitsipikao izy ireo.",
        "156": "Be famindram-po ianao, Jehovah\u00a0\u00f4! Tsimbino ny aiko satria manao ny rariny ianao.",
        "157": "Maro ny mpanenjika ahy sy ny fahavaloko; Tsy miala amin\u2019ny fampahatsiahivanao anefa aho.",
        "158": "Rikoriko aho mahita ny mpamitaka, Satria tsy mankat\u00f2 ny teninao izy ireny.",
        "159": "Jereo fa tiako er\u1ef3 ny didinao! Jehovah\u00a0\u00f4, tsimbino ny aiko noho ianao be\u00a0fitiavana sy tsy mivadika.",
        "160": "Fahamarinana no votoatin\u2019ny teninao, Ary maharitra mandrakizay daholo ny didim-pitsaranao ara-drariny. \u05e9 [ Sina ] na [ Shina ]",
        "161": "Manenjika ahy tsy amin\u2019antony ny andriana, Nefa ny teninao no atahoran\u2019ny foko.",
        "162": "Mahafaly ahy ny teninao, Toy ny rehefa mahazo babo be dia\u00a0be.",
        "163": "Halako ny lainga\u2014Tsy tiako maizina izany\u2014 Ny lal\u00e0nao no tiako.",
        "164": "Impito isan\u2019andro aho no midera anao, Satria ara-drariny ny didim-pitsaranao.",
        "165": "Be ny fiadanan\u2019ireo tia ny lal\u00e0nao; Tsy misy na inona na inona mahatafintohina azy.",
        "166": "Manantena an\u2019ireo asa famonjenao aho, Jehovah\u00a0\u00f4, Ary mankat\u00f2 ny didinao.",
        "167": "Arahiko ny fampahatsiahivanao, Ary tena tiako ireny.",
        "168": "Ankatoaviko ny didinao sy ny fampahatsiahivanao, Satria fantatrao daholo izay ataoko. \u05ea [ Tao ]",
        "169": "Ho tonga any aminao anie ny antso vonjy ataoko, Jehovah\u00a0\u00f4! Ataovy mahira-tsaina aho, araka ny teninao.",
        "170": "Ho tonga eo anatrehanao anie ny fitalahoako famindram-po! Vonjeo aho, araka ny efa nampanantenainao.",
        "171": "Hiboiboika fiderana anie ny molotro, Satria ampianarinao ahy ny fitsipikao!",
        "172": "Hihira momba ny teninao anie ny lelako, Fa ara-drariny daholo ny didinao!",
        "173": "Ho vonona hanampy ahy anie ny tananao, Satria mifidy ny hankat\u00f2 ny didinao aho!",
        "174": "Tsy andriko izay hamonjenao ahy, Jehovah\u00a0\u00f4, Ary mahafinaritra ahy ny lal\u00e0nao.",
        "175": "Enga anie aho ho velona mba ho afaka hidera anao; Hanampy ahy anie ny didim-pitsaranao!",
        "176": "Mirenireny toy ny ondry very aho. Mba tadiavo ity mpanomponao, Satria tsy manadino an\u2019ireo didinao."
    },
    "120": {
        "1": "Niantso an\u2019i Jehovah aho tao anatin\u2019ny sarotra, Dia namaly ahy izy.",
        "2": "Jehovah\u00a0\u00f4, afaho amin\u2019ny molotra mandainga aho, Sy amin\u2019ny lela mamitaka.",
        "3": "Inona no hataon\u2019Andriamanitra aminao, ary ahoana no hanasaziany anao, Ry lela mpamitaka?",
        "4": "Hosaziny amin\u2019ny zana-tsip\u00ecka maranitra alefan\u2019ny miaramila Sy amin\u2019ny vainafon\u2019anjavidy ianao.",
        "5": "Idiran-doza aho fa vahiny mipetraka ao Meseka! Monina eo amin\u2019ireo tranolain\u2019i Kedara aho.",
        "6": "Efa ela loatra aho no niara-nipetraka Tamin\u2019ireo tsy tia fihavanana.",
        "7": "Mitandro fihavanana aho, nefa isaky ny miteny aho, Dia mila ady izy ireo."
    },
    "121": {
        "1": "Manopy maso eny amin\u2019ny tendrombohitra aho. Avy aiza no hahazoako fanampiana?",
        "2": "Avy amin\u2019i Jehovah no ahazoako fanampiana, Avy amin\u2019ilay Mpanao ny lanitra sy ny tany.",
        "3": "Tsy havelany hibolisatra mihitsy ny tongotrao. Tsy ho rendremana mihitsy Ilay mpiambina anao.",
        "4": "Tsia! Tsy ho rendremana mihitsy na hatory Ilay mpiambina ny Israely.",
        "5": "I Jehovah no miambina anao. I Jehovah no manome alokaloka anao, eo ankavananao.",
        "6": "Tsy hamely anao ny masoandro rehefa antoandro, Ary tsy haninona anao ny volana rehefa alina.",
        "7": "Hiambina anao mba tsy hiharan\u2019ny loza mihitsy i Jehovah. Hiaro ny ainao izy.",
        "8": "Hiambina anao i Jehovah amin\u2019izay rehetra ataonao, Manomboka izao ka ho mandrakizay."
    },
    "122": {
        "1": "Faly aho rehefa niteny tamiko izy ireo hoe: \u201cAndao isika ho any an-tranon\u2019i Jehovah!\u201d",
        "2": "Ary izao ny tongotray dia mijoro Eo am-bavahadinao, ry Jerosalema\u00a0\u00f4!",
        "3": "Naorina ho tan\u00e0na i Jerosalema, Izay natambatra ho iray.",
        "4": "Niakatra nankany ireo foko, Dia ireo fokon\u2019i Jah, Araka ny fampahatsiahivana nomeny ho an\u2019ny Israely, Mba hisaotra ny anaran\u2019i Jehovah.",
        "5": "Fa any no nametrahana ny sezan\u2019ny mpitsara, Dia ny seza fiandrianan\u2019ny taranak\u2019i Davida.",
        "6": "Mangataha fiadanana ho an\u2019i Jerosalema! Tsy hanana ahiahy izay tia anao.",
        "7": "Hisy fiadanana foana anie ao anatin\u2019ny dongon-tany miaro anao, Ary tsy hanana ahiahy mihitsy anie izay ao anatin\u2019ireo tilikambonao voaro mafy!",
        "8": "Noho ny amin\u2019ny rahalahiko sy ny namako no hilazako hoe: \u201cHisy fiadanana anie ao aminao!\u201d",
        "9": "Noho ny amin\u2019ny tranon\u2019i Jehovah Andriamanitsika, Dia hitady izay hahasoa anao aho."
    },
    "123": {
        "1": "Mitraka mijery anao aho, Dia ianao ilay mipetraka eo amin\u2019ny seza fiandrianana any an-danitra.",
        "2": "Toy ny ijeren\u2019ny mpanompo ny tanan\u2019ny tompony, Sy toy ny ijeren\u2019ny mpanompovavy ny tanan\u2019ny tompovaviny, No ijerenay an\u2019i Jehovah Andriamanitray Mandra-piantrany anay.",
        "3": "Iantrao izahay, Jehovah\u00a0\u00f4, iantrao izahay, Fa tototry ny fanambaniana be\u00a0loatra.",
        "4": "Tototry ny fanesoana tafahoatra ataon\u2019ireo matoky tena izahay, Sy ny fanambaniana ataon\u2019ireo mirehareha."
    },
    "124": {
        "1": "\u201cRaha tsy nanampy antsika i Jehovah\u201d, \u2014Aoka ny Israely hilaza hoe\u2014",
        "2": "\u201cRaha tsy nanampy antsika i Jehovah Rehefa nisy olona nitsangana hanafika antsika,",
        "3": "Dia ho efa natelin\u2019izy ireo velona isika, Tamin\u2019izy ireo tezitra be tamintsika.",
        "4": "Dia ho nofaohin\u2019ny rano isika, Ary ho nanafotra antsika ny riaka\u00a0be.",
        "5": "Ho nandifotra antsika ny rano mahery\u00a0be.",
        "6": "Hoderaina anie i Jehovah, Satria tsy navelany horotidrotehin\u2019ny nifin\u2019izy ireo isika!",
        "7": "Isika dia toy ny vorona afa-nandositra Avy tao amin\u2019ny fandriky ny mpamandri-borona; Tapaka ilay fandrika, Ka afa-nandositra isika.",
        "8": "Ahazoantsika fanampiana ny anaran\u2019i Jehovah, Ilay Mpanao ny lanitra sy ny tany.\u201d"
    },
    "125": {
        "1": "Izay matoky an\u2019i Jehovah Dia mitovy amin\u2019ny Tendrombohitra Ziona, izay tsy voahozongozona Fa ho eo foana mandrakizay.",
        "2": "Hoatran\u2019ny tendrombohitra manodidina an\u2019i Jerosalema, Dia toy izany koa fa manodidina ny vahoakany i Jehovah, Manomboka izao ka ho mandrakizay.",
        "3": "Tsy hijanona eo amin\u2019ny anjara tanin\u2019ny olo-marina ny tehim-panjakan\u2019ny ratsy fanahy, Mba tsy ho lasa hanao ratsy ny olo-marina.",
        "4": "Jehovah\u00a0\u00f4, manaova soa amin\u2019ny olona tsara toetra Sy amin\u2019ny mahitsy fo.",
        "5": "Fa izay mivily hanaraka lalana tsy mahitsy kosa Hesorin\u2019i Jehovah miaraka amin\u2019ny mpanao ratsy. Enga anie ka hiadana ny Israely!"
    },
    "126": {
        "1": "Rehefa nampodin\u2019i Jehovah ny mponin\u2019i Ziona lasa babo, Dia hoatran\u2019ny nanonofy isika.",
        "2": "Nihomehy be mihitsy isika tamin\u2019izay, Sady nihoby ny lelantsika. Nifampiresaka ny olona tany amin\u2019ireo firenena tamin\u2019izay hoe: \u201cNanao zavatra niavaka ho an-dry zareo i Jehovah!\u201d",
        "3": "Nanao zavatra niavaka ho antsika tokoa i Jehovah, Ka faly be mihitsy isika.",
        "4": "Ampodio ireo lasa babo teo aminay, Jehovah\u00a0\u00f4, Toy ny amerenanao ny renirano ao Negeba.",
        "5": "Izay mitomany rehefa mamafy, Dia hihoby rehefa mijinja.",
        "6": "Izay mivoaka mankany an-tsaha, na dia mitomany aza, Sady mitondra masomboly eran\u2019ny harona, Dia tsy maintsy hihoby sy ho faly rehefa mody Sady hitondra amboaram-bokatra."
    },
    "127": {
        "1": "Raha tsy i Jehovah no manao ny trano, Dia ho very maina ny asa mafy ataon\u2019ny mpanorina azy. Ary raha tsy i Jehovah no miambina ny tan\u00e0na, Dia ho very maina ny fiaretan-torin\u2019ny mpiambina.",
        "2": "Very maina ny hifohazanareo vao maraina, Sy ny hiaretanareo tory hatramin\u2019ny alina\u00a0be, Ary ny hiasanareo mafy mba hahazoana sakafo, Satria manome izay ilain\u2019ny olona tiany izy sady manome azy ireo torimaso mamy.",
        "3": "Lova avy amin\u2019i Jehovah ny zanaka maro, Ary valisoa ny aloaky ny kibo.",
        "4": "Toy ny zana-tsip\u00ecka eny an-tanan\u2019ny lehilahy mahery Ny zanaky ny fahatanorana.",
        "5": "Sambatra izay lehilahy mameno ny tranon-jana-tsip\u00eckany amin\u2019ireny. Tsy ho menatra izy ireo, Satria hiteny eo anatrehan\u2019ny fahavalo eny am-bavahadin\u2019ny tan\u00e0na ireny."
    },
    "128": {
        "1": "Sambatra izay matahotra an\u2019i Jehovah Sy mandeha amin\u2019ny lalany.",
        "2": "Hihinana an\u2019izay nisasaran\u2019ny tananao ianao. Ho sambatra ianao sady hiadana.",
        "3": "Ho toy ny voaloboka mahavokatra ao an-tranonao ny vadinao; Ho toy ny tsimok\u2019oliva manodidina ny latabatrao ny zanakao.",
        "4": "Toy izany no hitahiana Ny lehilahy matahotra an\u2019i Jehovah.",
        "5": "Hitahy anao avy ao Ziona i Jehovah. Enga anie ka ho hitanao hoe mandroso\u00a0be i Jerosalema, mandritra ny androm-piainanao,",
        "6": "Ary ho hitanao ny zafikelinao! Enga anie ka hiadana ny Israely!"
    },
    "129": {
        "1": "\u201cNamely ahy foana izy ireo hatramin\u2019izaho mbola tanora!\u201d \u2014Aoka ny Israely hilaza hoe\u2014",
        "2": "\u201cNamely ahy foana izy ireo hatramin\u2019izaho mbola tanora; Tsy naharesy ahy anefa izy ireo.",
        "3": "Nataon\u2019ny mpiasa\u00a0tany toy ny tany asaina ny lamosiko; Nataony lava be ny vava\u00a0asany.\u201d",
        "4": "Manao ny rariny anefa i Jehovah; Tapatapahiny ny tadin\u2019ny ratsy fanahy.",
        "5": "Ho menatra ary hiverin-dalana ka ho afa-baraka Izay rehetra mankahala an\u2019i Ziona.",
        "6": "Ho toy ny ahitra eny amin\u2019ny tafo izy ireo, Izay malazo nefa mbola tsy nongotana akory.",
        "7": "Tsy mahafeno ny tanan\u2019ny mpijinja ireny, Na ny sandrin\u2019ny mpanangona amboara.",
        "8": "Tsy hilaza ny mpandalo hoe: \u201cHotahin\u2019i Jehovah anie ianareo! Mitso-drano anareo amin\u2019ny anaran\u2019i Jehovah izahay.\u201d"
    },
    "130": {
        "1": "Ao anatin\u2019ny fahoriana lalina aho no miantso anao, Jehovah\u00a0\u00f4!",
        "2": "Henoy ny feoko, Jehovah\u00a0\u00f4! Hanongilan-tsofina hihaino ny fitalahoako fanampiana anie ianao!",
        "3": "Raha mitsingoloka ny fahadisoanay ianao, ry Jah \u00f4, Dia iza aminay no hahajoro, Jehovah\u00a0\u00f4?",
        "4": "Fa ao aminao ny tena famelan-keloka, Mba hanajan\u2019ny olona anao.",
        "5": "Manantena an\u2019i Jehovah aho, manantena azy amin\u2019ny foko manontolo; Miandry ny teniny aho.",
        "6": "Miandry mafy an\u2019i Jehovah aho, Mihoatra noho ny fiandrasan\u2019ny mpiambina izay hahamaraina ny andro, Eny, mihoatra noho ny fiandrasan\u2019ny mpiambina ny maraina.",
        "7": "Aoka hiandry foana an\u2019i Jehovah ny Israely, Satria tsy miovaova mihitsy ny fitiavan\u2019i Jehovah, Ary manana hery lehibe hanavotana izy.",
        "8": "Hanavotra ny Israely ho afaka amin\u2019ny fahadisoany rehetra izy."
    },
    "131": {
        "1": "Jehovah\u00a0\u00f4, tsy mirehareha ny foko, Ary tsy mianjonanjona ny masoko. Tsy mikatsaka zavatra ambony loatra aho, Na zavatra tsy ho vitako mihitsy.",
        "2": "Efa nampitony sy nampionona ny foko kosa aho, Toy ny zaza efa nisara-nono eny amin-dreniny; Afa-po toy ny zaza efa nisara-nono aho.",
        "3": "Aoka hiandry an\u2019i Jehovah ny Israely, Manomboka izao ka ho mandrakizay."
    },
    "132": {
        "1": "Jehovah\u00a0\u00f4, tsarovy i Davida, Sy ny fahoriany rehetra;",
        "2": "Tsarovy fa nianiana tamin\u2019i Jehovah\u00a0izy Ary nivoady tamin\u2019Ilay Maherin\u2019i Jakoba hoe:",
        "3": "\u201cTsy hiditra ao amin\u2019ny tranolay fonenako aho. Tsy hitsotsotra eo ambonin\u2019ny farafara fatoriako aho;",
        "4": "Tsy havelako hatory ny masoko, Na havelako ho rendremana,",
        "5": "Mandra-pahitako toerana ho an\u2019i Jehovah, Dia toeram-ponenana tsara tarehy ho an\u2019Ilay Maherin\u2019i Jakoba.\u201d",
        "6": "Nahare momba azy io izahay tany Efrata; Nahita azy io izahay tany amin\u2019ny faritra be\u00a0ala.",
        "7": "Andao hiditra ao amin\u2019ny toeram-ponenany, Sy hiankohoka eo amin\u2019ny fitoeran-tongony.",
        "8": "Mitsang\u00e0na, Jehovah\u00a0\u00f4! Mankanesa any amin\u2019ny toeram-ponenanao, Ianao sy ilay Vata Masina mampiseho ny herinao.",
        "9": "Hitafy fahamarinana anie ny mpisoronao, Ary hihoby ireo tsy mivadika aminao!",
        "10": "Noho ny amin\u2019i Davida mpanomponao, Dia aza afoy ilay voahosotrao.",
        "11": "Efa nianiana tamin\u2019i Davida i Jehovah; Tsy hivadika amin\u2019izao teniny izao mihitsy izy: \u201cNy iray amin\u2019ny taranakao No hapetrako eo amin\u2019ny seza fiandriananao.",
        "12": "Raha manaja ny fifanekena nataoko ny taranakao, Ary manaraka ny fampahatsiahivana omeko azy, Dia hipetraka mandrakizay eo amin\u2019ny seza fiandriananao\u00a0koa Ny taranak\u2019izy ireo.\u201d",
        "13": "Fa efa nifidy an\u2019i Ziona i Jehovah; Te hipetraka ao izy, ka niteny hoe:",
        "14": "\u201cIty no toerana honenako mandrakizay; Eto aho no hipetraka, satria izany no faniriako.",
        "15": "Hofenoiko ny tahirin-tsakafony; Hataoko voky hanina ny mahantra\u00a0ao.",
        "16": "Hotafiko famonjena ny mpisorona\u00a0ao, Ary hihoby ny olona tsy mivadika izay mipetraka\u00a0ao.",
        "17": "Ao no hataoko mihamitombo ny herin\u2019i Davida. Efa nanomana jiro ho an\u2019ilay voahosotro aho.",
        "18": "Hataoko mitafy henatra ny fahavalony, Fa ny satroboninahitra eo amin\u2019ny lohany kosa hamirapiratra.\u201d"
    },
    "133": {
        "1": "Tsara sy mahafinaritra\u00a0er\u1ef3 Rehefa miara-monina sady miray saina ny mpirahalahy!",
        "2": "Toy ny menaka tsara, izay araraka eo ambony loha, izany Ka mikoriana mankeo amin\u2019ny volombava, Dia ny volombavan\u2019i Arona, Ary mikoriana hatreny amin\u2019ny vozon\u2019akanjony.",
        "3": "Toy ny ando any Hermona izany, Ka milatsaka eo amin\u2019ireo tendrombohitr\u2019i Ziona. Any no ampanantenain\u2019i Jehovah hoe hisy fitahiana, Dia fiainana mandrakizay."
    },
    "134": {
        "1": "Mider\u00e0 an\u2019i Jehovah, Ianareo rehetra mpanompon\u2019i Jehovah, Izay mijoro ao an-tranon\u2019i Jehovah mandritra ny alina.",
        "2": "Aoka ianareo ho masina rehefa manandra-tanana hivavaka, Ary mider\u00e0 an\u2019i Jehovah.",
        "3": "I Jehovah, Ilay Mpanao ny lanitra sy ny tany, anie Hitahy anao avy ao Ziona!"
    },
    "135": {
        "1": "Derao i Jah! Derao ny anaran\u2019i Jehovah; Derao izy, ry mpanompon\u2019i Jehovah,",
        "2": "Izay mijoro ao an-tranon\u2019i Jehovah Sy ao an-tokotanin\u2019ny tranon\u2019Andriamanitsika.",
        "3": "Derao i Jah, fa tsara i Jehovah. Manaova hira fiderana ho an\u2019ny anarany, fa mahafinaritra izany.",
        "4": "Fa nofidin\u2019i Jah ho azy i Jakoba, Nofidiny ho fananany manokana i Israely.",
        "5": "Fantatro tsara mantsy fa tena miavaka i Jehovah; Ambony noho ny andriamanitra rehetra ny Tompontsika.",
        "6": "Ataon\u2019i Jehovah daholo izay tiany, Na any an-danitra na et\u1ef3 an-tany, na any an-dranomasina na any amin\u2019ny rano lalina rehetra.",
        "7": "Mampiakatra rahona avy any amin\u2019ny faran\u2019ny tany izy, Sady manao tselatra ho an\u2019ny orana; Avoakany avy ao amin\u2019ny trano fitehirizany azy ny rivotra.",
        "8": "Novonoiny ho faty ny lahy teraka voalohany tany Ejipta, Na olona na biby.",
        "9": "Nandefa famantarana sy nanao fahagagana teo aminao izy, ry Ejipta\u00a0\u00f4, Mba hamelezana an\u2019i Farao sy ny mpanompony rehetra.",
        "10": "Naharesy firenena maro izy, Ary nandripaka mpanjaka mahery,",
        "11": "Dia i Sihona mpanjakan\u2019ny Amorita Sy Oga mpanjakan\u2019i Basana Ary ny fanjakana rehetra tao Kanana.",
        "12": "Nomeny ho lova ny tanin\u2019izy ireo, Ho lovan\u2019ny Israely vahoakany.",
        "13": "Jehovah\u00a0\u00f4, maharitra mandrakizay ny anaranao! Jehovah\u00a0\u00f4, maharitra hatramin\u2019ny taranaka fara aman-dimby ny lazanao!",
        "14": "Fa hiaro ny vahoakany i Jehovah, Ary hangoraka an\u2019ireo mpanompony.",
        "15": "Volafotsy sy volamena ny sampin\u2019ireo firenena Sady asa tanan\u2019olombelona.",
        "16": "Manam-bava ireny sampy ireny, fa tsy miteny; Mana-maso, fa tsy mahita;",
        "17": "Manan-tsofina, fa tsy maheno. Tsy misy fofonaina eo am-bavan\u2019izy ireny.",
        "18": "Ho lasa hoatr\u2019ireny ny olona manao azy, Sy izay rehetra matoky azy.",
        "19": "Derao i Jehovah, ry\u00a0taranak\u2019Israely\u00a0\u00f4! Derao i Jehovah, ry\u00a0taranak\u2019i Arona\u00a0\u00f4!",
        "20": "Derao i Jehovah, ry\u00a0taranak\u2019i Levy\u00a0\u00f4! Ianareo izay matahotra an\u2019i Jehovah, mider\u00e0 an\u2019i Jehovah.",
        "21": "Hoderaina avy ao Ziona anie i Jehovah, Ilay mipetraka ao Jerosalema! Derao i Jah!"
    },
    "136": {
        "1": "Misaora an\u2019i Jehovah, fa tsara izy; Be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.",
        "2": "Misaora an\u2019ilay Andriamanitry ny andriamanitra, Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.",
        "3": "Misaora an\u2019ilay Tompon\u2019ny tompo, Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.",
        "4": "Izy irery ihany no manao zavatra faran\u2019izay mahagaga, Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.",
        "5": "Nanao ny lanitra izy sady niangaliany fatratra izany, Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.",
        "6": "Namelatra ny tany teo ambonin\u2019ny rano izy, Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.",
        "7": "Nanao an\u2019ireo zavatra lehibe manome hazavana izy, Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay,",
        "8": "Dia ny masoandro, izay hanjaka amin\u2019ny andro, Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay,",
        "9": "Ary ny volana sy ny kintana, izay hanjaka amin\u2019ny alina, Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.",
        "10": "Novonoiny ho faty ny lahimatoan\u2019i Ejipta, Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.",
        "11": "Nitondra ny Israely nivoaka avy teo amin\u2019ny Ejipsianina izy, Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay,",
        "12": "Tamin\u2019ny tanany matanjaka sy ny sandriny mahery, Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.",
        "13": "Nosarahiny roa ny Ranomasina Mena, Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.",
        "14": "Nataony izay handehanan\u2019ny Israely teo afovoan\u2019ilay izy, Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.",
        "15": "Nakifiny nankao amin\u2019ny Ranomasina Mena i Farao sy ny tafiny, Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.",
        "16": "Nitarika ny vahoakany namakivaky ny tany efitra izy, Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.",
        "17": "Nandripaka mpanjaka lehibe izy, Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.",
        "18": "Namono mpanjaka mahery izy, Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay,",
        "19": "Dia i Sihona mpanjakan\u2019ny Amorita, Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay,",
        "20": "Sy Oga mpanjakan\u2019i Basana, Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.",
        "21": "Nomeny ho lova ny tanin\u2019ireo, Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay,",
        "22": "Dia ho lovan\u2019ny Israely mpanompony, Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.",
        "23": "Nahatsiaro antsika izy tamin\u2019isika kivy, Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.",
        "24": "Namonjy antsika tamin\u2019ny fahavalontsika foana izy, Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.",
        "25": "Manome sakafo ho an\u2019ny zavamananaina rehetra izy, Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.",
        "26": "Misaora an\u2019ilay Andriamanitry ny lanitra, Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay."
    },
    "137": {
        "1": "Teo amoron\u2019ny renirano tany Babylona izahay no nipetrapetraka. Nitomany izahay rehefa nahatsiaro an\u2019i Ziona.",
        "2": "Teny amin\u2019ny hazo aravaha tao aminy No nahantonay ny harpa fitendrinay.",
        "3": "Fa tao no nangataka anay hihira ireo naka anay ho babo; Te hiala voly ireo naneso anay ka niteny hoe: \u201cAnaovy hira momba an\u2019i Ziona izahay.\u201d",
        "4": "Ataonay ahoana anefa no fihira ny hiran\u2019i Jehovah Any an-tanin\u2019olona?",
        "5": "Raha manadino anao aho, ry Jerosalema\u00a0\u00f4, Dia aoka ny tanako ankavanana hanadino izay efa hainy.",
        "6": "Aoka ny lelako hiraikitra amin\u2019ny lanilaniko, Raha tsy mahatsiaro anao\u00a0aho Ary raha tsy i Jerosalema no ataoko zava-dehibe kokoa Noho ireo zavatra lehibe indrindra mahafaly ahy.",
        "7": "Jehovah\u00a0\u00f4, tsarovy Izay nolazain\u2019ny Edomita tamin\u2019ny andro nandravana an\u2019i Jerosalema. Hoy izy ireo: \u201cRavao tanteraka! Ravao hatramin\u2019ny fotony!\u201d",
        "8": "Ry Babylona zanakavavy izay horavana tsy ho ela\u00a0\u00f4! Ho sambatra ilay hampijaly anao Hoatran\u2019ny nampijalianao anay.",
        "9": "Ho sambatra ilay hisambotra ny zanakao Sy hanatonta azy ireo amin\u2019ny vatolampy."
    },
    "138": {
        "1": "Hidera anao amin\u2019ny foko manontolo aho. Eo anatrehan\u2019ireo andriamani-kafa No hihirako fiderana ho anao.",
        "2": "Hiankohoka manandrify ny tempolinao masina aho, Sady hidera ny anaranao, Noho ianao be fitiavana sy tsy mivadika ary mendri-pitokisana. Fa nataonao ambony mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra ny teninao sy ny anaranao.",
        "3": "Namaly ahy ianao tamin\u2019ny andro niantsoako anao; Nomenao fahasahiana aho ary nohatanjahinao.",
        "4": "Hidera anao daholo ny mpanjakan\u2019ny tany, Jehovah\u00a0\u00f4, Satria ho henon\u2019izy ireo ny fampanantenana nolazainao.",
        "5": "Hihira momba an\u2019izay nataon\u2019i Jehovah izy ireo, Fa lehibe ny voninahitr\u2019i Jehovah.",
        "6": "Na avo aza i Jehovah, dia mijery an\u2019izay manetry tena, Fa izay manambony tena kosa halaviriny.",
        "7": "Hitsimbina ny aiko ianao na dia rehefa miatrika loza aza aho. Manatsotra ny tananao ianao mba hanoherana ny hatezeran\u2019ny fahavaloko; Hamonjy ahy ny tananao ankavanana.",
        "8": "Hotanterahin\u2019i Jehovah daholo izay noeritreretiny hoe mahasoa ahy. Jehovah\u00a0\u00f4, be fitiavana ianao sady tsy mivadika mandrakizay! Aza afoy ny asan\u2019ny tananao."
    },
    "139": {
        "1": "Jehovah\u00a0\u00f4, mandinika ahy amin\u2019ny an-tsipiriany ianao, ka mahalala ahy.",
        "2": "Fantatrao aho na mipetraka na mitsangana. Fantatrao avy eny lavitra eny ny eritreritro.",
        "3": "Mandinika ahy ianao na mandeha aho na mitsotsotra; Hainao tsara ny lalako rehetra.",
        "4": "Mbola tsy miteny akory aho, Dia efa fantatrao tsara ny tiako holazaina, Jehovah\u00a0\u00f4!",
        "5": "Manodidina ahy avy ao andamosiko sy avy eo anoloako ianao, Ary apetrakao eo amiko ny tananao.",
        "6": "Tsy takatry ny saiko izany fahalalanao izany. Avo loatra izany ka tsy takatro.",
        "7": "Aiza no azoko itsoahana ka tsy ho tongan\u2019ny fanahinao? Ary aiza no azoko andosirana tsy ho eo anatrehanao?",
        "8": "Raha miakatra eny amin\u2019ny lanitra aho, dia eny ianao, Ary raha mamelatra ny fandrianako ao amin\u2019ny Fasana aho, dia any koa ianao.",
        "9": "Raha manidina amin\u2019ny elatry ny maraina vao\u00a0mangiran-dratsy aho, Mba honina eny amoron\u2019ny ranomasina faran\u2019izay lavitra,",
        "10": "Dia mbola mitarika ahy ihany ny tananao, na dia any aza, Ary mitazona ahy ny tananao ankavanana.",
        "11": "Raha miteny aho hoe: \u201cTsy maintsy hanarona ahy ny haizina!\u201d, Dia ho lasa hazavana ny alina manodidina ahy.",
        "12": "Na ny haizina aza tsy maizina loatra aminao, Fa mazava toy ny andro ny alina; Aminao dia hoatran\u2019ny hazavana ihany ny haizina.",
        "13": "Fa ianao no namorona ny voako; Notakonanao tao an-kibon\u2019i Neny aho.",
        "14": "Midera anao aho, satria mahagaga sy mahatalanjona ny fomba nanaovanao ahy. Mahatalanjona ny asanao, Ary tena fantatro tsara izany.",
        "15": "Tsy niafina taminao ny taolako, Tamin\u2019izaho noforoninao tao amin\u2019ny toerana miafina, Tamin\u2019izaho notenominao tao amin\u2019ny faritra lalina amin\u2019ny tany.",
        "16": "Nahita ahy ny masonao na dia mbola vao niforona aza aho; Voasoratra tao amin\u2019ny bokinao ny faritra rehetra amin\u2019ny vatako Sy ny andro niforonan\u2019ireny, Tamin\u2019ny mbola tsy nisy akory ireny na iray aza.",
        "17": "Koa tena sarobidy amiko ny hevitrao! Tena be dia be tokoa ny isan\u2019ireny, Andriamanitra\u00a0\u00f4!",
        "18": "Raha andramako isaina ireny, dia betsaka lavitra noho ny fasika. Rehefa mifoha aho, dia mbola eo aminao ihany.",
        "19": "Andriamanitra\u00a0\u00f4, raha mba aringanao mantsy ny ratsy fanahy! Dia hiala amiko ny olona mahery setra,",
        "20": "Dia ireo manakiana anao satria efa ratsy saina; Fahavalonao ireny ary manao tsinontsinona ny anaranao.",
        "21": "Jehovah\u00a0\u00f4, tsy mankahala an\u2019izay mankahala anao ve aho? Tsy maharikoriko ahy ve izay mikomy aminao?",
        "22": "Tena halako ireny, Ary lasa tena fahavaloko.",
        "23": "Diniho amin\u2019ny an-tsipiriany aho, Andriamanitra\u00a0\u00f4, ary fantaro ny foko. Diniho aho, ka fantaro izay mampitebiteby ahy.",
        "24": "Jereo sao misy zava-dratsy ato anatiko, Dia tariho mankany amin\u2019ny lalan\u2019ny mandrakizay aho."
    },
    "140": {
        "1": "Vonjeo tsy ho azon\u2019ny olon-dratsy aho, Jehovah\u00a0\u00f4! Arovy amin\u2019ny olona mahery setra aho,",
        "2": "Dia amin\u2019ireo mamorona teti-dratsy ao am-pony Sy mila ady foana.",
        "3": "Ataon\u2019izy ireo maranitra toy ny an\u2019ny bibilava ny lelany; Misy poizin\u2019ny bibilava ao am-bavany. ( Sela )",
        "4": "Arovy tsy ho azon\u2019ny tanan\u2019ny ratsy fanahy aho, Jehovah\u00a0\u00f4! Arovy amin\u2019ny olona mahery setra aho, Dia amin\u2019ireo mitetika ny hamingana ahy.",
        "5": "Manafina fandrika hahazoana ahy ireo manambony tena; Mampiasa tady izy ireo mba hamelarana harato eny amoron-dalana. Mamelatra fandrika hahazoana ahy izy ireo. ( Sela )",
        "6": "Miteny amin\u2019i Jehovah aho hoe: \u201cIanao no Andriamanitro. Henoy ny fitalahoako fanampiana, Jehovah\u00a0\u00f4!\u201d",
        "7": "Ry Jehovah Tompo Fara Tampony\u00a0\u00f4, ilay Mpamonjy ahy tena mahery, Miaro ny lohako ianao rehefa raikitra ny ady.",
        "8": "Aza tanterahina ny fanirian\u2019ny ratsy fanahy, Jehovah\u00a0\u00f4! Aza avela hahomby ny teti-dratsiny, sao hisandratra izy ireo. ( Sela )",
        "9": "Enga anie hitsingerina eo an-dohan\u2019ireo manodidina\u00a0ahy Ny zava-dratsy nolazain\u2019ny molony!",
        "10": "Hisy vainafo hiraraka anie eo an-dohan\u2019izy ireo! Enga anie izy ireo hatsipy ao anaty afo, Ao anaty lavaka lalina, ka tsy ho tafakatra intsony mihitsy!",
        "11": "Tsy hahita toerana hipetrahana eto an-tany anie ny mpanendrikendrika! Henjehin\u2019ny faharatsiana anie ny olona mahery setra, dia hasiany!",
        "12": "Fantatro fa harovan\u2019i Jehovah ny madinika, Ary homeny rariny ny mahantra.",
        "13": "Hisaotra ny anaranao tokoa ny olo-marina; Honina eo anatrehanao ny olona manao izay mahitsy."
    },
    "141": {
        "1": "Jehovah\u00a0\u00f4, miantso anao aho. Mba tongava haingana hanampy ahy. Henoy re aho rehefa miantso anao\u00a0e!",
        "2": "Enga anie ny vavaka ataoko mba ho toy ny emboka manitra voaomana tsara eo anatrehanao! Ho toy ny manolotra fanatitra varimbazaha amin\u2019ny takariva anie aho, rehefa manandratra ny tanako!",
        "3": "Asio mpiambina ny vavako, Jehovah\u00a0\u00f4! Asio mpiambina eo amin\u2019ny varavaran\u2019ny molotro.",
        "4": "Aza avela haniry zava-dratsy ny foko, Mba tsy hivarilavo miaraka amin\u2019ny mpanao ratsy aho; Tsy hihinana amin\u2019ny sakafo matsiron\u2019izy ireo mihitsy aho!",
        "5": "Raha mamely ahy ny olo-marina, dia raisiko ho fanehoana fitiavana sy tsy fivadihana izany; Raha mananatra ahy izy, dia ho toy ny menaka ahosotra amin\u2019ny lohako izany Ka tsy holavin\u2019ny lohako mihitsy. Mbola hivavaka ho azy foana aho na dia misy loza manjo azy aza.",
        "6": "Na atsipy avy eny amin\u2019ny harambato aza ny mpitsara azy ireo, Dia hihaino tsara an\u2019izay lazaiko ny vahoaka, satria mahafinaritra ny teniko.",
        "7": "Toy ny ataon\u2019ny olona miasa tany ka mamakivaky bainga, No anaparitahana ny taolanay eo am-bavan\u2019ny Fasana.",
        "8": "Ianao anefa no andrandrain\u2019ny masoko, Jehovah Tompo Fara Tampony\u00a0\u00f4! Ianao no ialofako. Aza esorina ny aiko.",
        "9": "Arovy aho mba tsy ho voaketoky ny fandrika napetrak\u2019izy ireo, Dia ny vela-pandriky ny mpanao ratsy.",
        "10": "Hiara-latsaka ao amin\u2019ny fandrika harato nataony ihany ny ratsy fanahy rehetra, Fa izaho kosa tsy haninona rehefa mandalo\u00a0eo."
    },
    "142": {
        "1": "Manandratra ny feoko aho mba hiantso vonjy amin\u2019i Jehovah; Manandratra ny feoko aho mba hitalaho famindram-po amin\u2019i Jehovah.",
        "2": "Izy no amborahako ny zavatra mampanahy ahy; Izy no ilazako ny fahoriako",
        "3": "Rehefa rera-tsaina aho. Dia mitsinjo ny lalana izorako ianao. Eny amin\u2019ny lalana andehanako No anafenan\u2019izy ireo fandrika hamandrihana ahy.",
        "4": "Tazano ny eo ankavanako ka jereo Fa tsy misy miraharaha ahy. Tsy misy toerana azoko andosirana; Tsy mba misy mieritreritra an\u2019izay manjo ahy.",
        "5": "Miantso vonjy aminao aho, Jehovah\u00a0\u00f4! Hoy aho: \u201cIanao no fialofako, Tsy manana afa-tsy ianao aho eto amin\u2019ny tanin\u2019ny velona.\u201d",
        "6": "Mba henoy re ny fitalahoako fanampiana\u00a0e, Fa nambanina tanteraka aho! Vonjeo aho tsy ho azon\u2019ny mpanenjika ahy, Fa matanjaka noho izaho izy ireo.",
        "7": "Avoahy avy ato amin\u2019ity lakaly figadrana ity aho, Mba hiderako ny anaranao. Enga anie hanodidina ahy ny olo-marina, Satria tsara fanahy amiko ianao!"
    },
    "143": {
        "1": "Jehovah\u00a0\u00f4, henoy ny vavaka ataoko; Henoy ny fitalahoako fanampiana. Valio aho fa mendri-pitokisana sy manao ny rariny ianao.",
        "2": "Aza mifandahatra amin\u2019ny mpanomponao eo amin\u2019ny fitsarana, Satria tsy misy olombelona azo atao hoe marina eo anatrehanao.",
        "3": "Fa manenjika ahy ny fahavalo; Namotika ny fiainako izy, ka nanosihosy ahy tamin\u2019ny tany. Nataony nonina tao amin\u2019ny haizina aho, hoatran\u2019ny olona maty efa ela\u00a0be.",
        "4": "Rera-tsaina aho; Reraka ny foko ato anatiko.",
        "5": "Mahatsiaro ny taloha aho; Misaintsaina ny zava-drehetra nataonao aho, Ary mieritreritra lalina momba ny asan\u2019ny tananao.",
        "6": "Mamelatra ny tanako mba hivavaka aminao aho; Toy ny tany karakaina aho, ka mangetaheta anao. ( Sela )",
        "7": "Mba valio haingana aho, Jehovah\u00a0\u00f4! Efa ho lany ny heriko. Aza mihodina tsy hijery ahy, Sao ho lasa hoatran\u2019ireo midina any an-davaka aho.",
        "8": "Ataovy maheno momba ny fitiavanao sy ny tsy fivadihanao aho amin\u2019ny maraina, Fa matoky anao. Ampahafantaro ahy ny lalana tokony halehako, Satria ianao no ianteherako.",
        "9": "Vonjeo tsy ho azon\u2019ny fahavaloko aho, Jehovah\u00a0\u00f4! Mitady ny fiarovanao aho.",
        "10": "Ampianaro hanao ny sitraponao aho, Fa ianao no Andriamanitro. Tsara ny fanahinao; Enga anie izany hitarika ahy eo amin\u2019ny toerana tsy mikitoantoana!",
        "11": "Noho ny anaranao, Jehovah\u00a0\u00f4, dia tsimbino ny aiko! Afaho amin\u2019ny fahoriako aho, satria manao ny rariny ianao.",
        "12": "Aringano ny fahavaloko, satria be fitiavana sy tsy mivadika ianao. Aripaho izay rehetra mampijaly ahy, Fa mpanomponao aho."
    },
    "144": {
        "1": "Hoderaina anie i Jehovah, ilay Vatolampiko, Izay mampiofana ny tanako hamely, Sy mampiofana ny rantsantanako hiady.",
        "2": "Tia ahy sy tsy mivadika amiko izy ary manda fiarovana ho ahy, Fialofana azoko antoka sy mpanafaka ahy, Ilay ampingako sy Ilay azoko ialofana, Dia Ilay mahatonga an\u2019ireo firenena hanaiky ahy!",
        "3": "Jehovah\u00a0\u00f4! Inona moa izay olombelona no mahaliana anao, Ary inona moa izay zanak\u2019olombelona mety maty no karakarainao?",
        "4": "Mihelina toy ny fofonaina ny olombelona; Toy ny aloka mandalo ny androm-piainany.",
        "5": "Jehovah\u00a0\u00f4! Ataovy ambany kokoa ny lanitra ka mid\u00ecna; Kasiho ny tendrombohitra ary ataovy midona-tsetroka.",
        "6": "Ataovy mitselatselatra ny tselatra ary aparitaho ny fahavalo; Alefaso ny zana-tsip\u00eckanao ary ataovy misahotaka izy ireo.",
        "7": "Atsory avy any amin\u2019ny avo ny tananao; Afaho aho, ka vonjeo avy ao amin\u2019ny rano manonja\u00a0be, Dia avy eo an-tanan\u2019ny firenen-kafa,",
        "8": "Izay milaza lainga Sy manainga ny tanany ankavanana mba hianiana lainga.",
        "9": "Hihira hira vaovao ho anao aho, Andriamanitra\u00a0\u00f4! Hihira fiderana ho anao amin\u2019ny zavamaneno misy tadiny folo aho,",
        "10": "Dia ho anao, ilay mahatonga ny mpanjaka handresy, Sy ilay mamonjy an\u2019i Davida mpanomponao amin\u2019ny sabatra mahafaty.",
        "11": "Afaho aho, ka vonjeo avy eo an-tanan\u2019ny firenen-kafa, Izay milaza lainga Sy manainga ny tanany ankavanana mba hianiana lainga.",
        "12": "Dia ho toy ny zavamaniry tanora, izay vetivety dia lehibe, ny zanakay lahy, Ary ny zanakay vavy ho toy ny andry vita sokitra mandravaka ny zoron\u2019ny lapa.",
        "13": "Ho feno vokatra isan-karazany ny trano fitehirizam-bokatray; Hitombo an\u2019arivony sy an\u2019alinaliny ny ondry aman\u2019osy eny amin\u2019ny sahanay.",
        "14": "Tsy hisy ho tratran\u2019ny loza na tsy hahavanona anaka ny omby bevohoka ompianay; Tsy hisy hitaraina eny amin\u2019ny tany malalaky ny tan\u00e0nanay.",
        "15": "Sambatra izay vahoaka hoatr\u2019izany! Sambatra izay vahoaka manana an\u2019i Jehovah ho Andriamaniny!"
    },
    "145": {
        "1": "Hanandratra anao aho, ry\u00a0Andriamanitro sady Mpanjakako\u00a0\u00f4, Ary hidera ny anaranao mandrakizay mandrakizay. \u05d1 [ Beta ]",
        "2": "Hidera anao tontolo andro aho; Hidera ny anaranao mandrakizay mandrakizay aho. \u05d2 [ Gimela ]",
        "3": "Tena miavaka i Jehovah, ka izy no mendrika hoderaina indrindra; Tsy takatry ny saina ny fahalehibeazany. \u05d3 [ Daleta ]",
        "4": "Hidera ny asanao ny taranaka fara aman-dimby; Hanambara ny asa nataonao tamin\u2019ny herinao izy ireo. \u05d4 [ He ]",
        "5": "Ny haja amam-boninahitrao no horesahin\u2019izy ireo, Ary izaho kosa hisaintsaina an\u2019ireo asa mahatalanjona nataonao. \u05d5 [ Vao ]",
        "6": "Hiresaka momba ny zavatra miavaka sy mampahatahotra nataonao izy ireo, Ary izaho hanambara ny fahalehibeazanao. \u05d6 [ Zaina ]",
        "7": "Hiboiboika teny fiderana ny vavan\u2019izy ireo rehefa mahatsiaro hoe lehibe tokoa ny hatsaran-toetranao, Ary hihoby izy ireo noho ianao manao ny rariny. \u05d7 [ Heta ]",
        "8": "Mangoraka sy mamindra fo i Jehovah, Sady tsy mora tezitra ary tena be\u00a0fitiavana sy tsy mivadika. \u05d8 [ Teta ]",
        "9": "Manao soa amin\u2019ny rehetra i Jehovah, Ary hita amin\u2019izay rehetra ataony fa mamindra fo izy. \u05d9 [ Y\u00f4da ]",
        "10": "Hanome voninahitra anao ny asanao rehetra, Jehovah\u00a0\u00f4! Ary hidera anao ireo tsy mivadika aminao. \u05db [ Kafa ]",
        "11": "Hanambara ny voninahitry ny fanjakanao izy ireo, Ary hiresaka momba ny herinao, \u05dc [ Lameda ]",
        "12": "Mba hampahafantarana amin\u2019ny olona ny asa nataonao tamin\u2019ny herinao Sy ny haja amam-boninahitry ny fanjakanao. \u05de [ Mema ]",
        "13": "Fanjakana maharitra mandrakizay ny fanjakanao, Ary maharitra hatramin\u2019ny taranaka fara aman-dimby ny fitondranao. \u05e1 [ Sameka ]",
        "14": "Manohana an\u2019izay rehetra lavo i Jehovah, Ary mampitraka an\u2019izay rehetra mitanondrika. \u05e2 [ Aina ]",
        "15": "Miandrandra anao ny maso rehetra; Manome azy ireo ny sakafony amin\u2019ny fotoanany ianao. \u05e4 [ Pe ]",
        "16": "Manokatra ny tananao ianao, Ka manome fahafaham-po ny fanirian\u2019ny zavamananaina rehetra. \u05e6 [ Tsade ]",
        "17": "Manao ny rariny i Jehovah amin\u2019ny lalany rehetra. Tsy mivadika koa izy, amin\u2019izay rehetra ataony. \u05e7 [ K\u00f4fa ]",
        "18": "Akaiky an\u2019izay rehetra miantso azy i Jehovah, Dia izay rehetra miantso azy araka ny fahamarinana. \u05e8 [ Resa ]",
        "19": "Manome fahafaham-po ny fanirian\u2019izay matahotra azy izy; Henoiny izy ireo rehefa miantso vonjy, ka vonjeny. \u05e9 [ Shina ]",
        "20": "Miaro an\u2019izay rehetra tia azy i Jehovah, Fa ny ratsy fanahy rehetra kosa haringany. \u05ea [ Tao ]",
        "21": "Hidera an\u2019i Jehovah ny vavako; Aoka hidera ny anarany masina mandrakizay mandrakizay ny zavamananaina rehetra."
    },
    "146": {
        "1": "Derao i Jah! Hidera an\u2019i Jehovah amin\u2019ny foko manontolo anie aho!",
        "2": "Hidera an\u2019i Jehovah mandritra ny androm-piainako aho. Hihira fiderana ho an\u2019ny Andriamanitro aho raha mbola velona koa.",
        "3": "Aza matoky ny olona ambony Na ny zanak\u2019olombelona izay tsy mahavonjy.",
        "4": "Miala ny fofonainy, ary miverina amin\u2019ny tany izy; Amin\u2019iny andro iny ihany, dia foana ny eritreriny.",
        "5": "Sambatra izay manana an\u2019ilay Andriamanitr\u2019i Jakoba ho mpanampy azy Sady manantena an\u2019i Jehovah Andriamaniny,",
        "6": "Ilay Mpanao ny lanitra sy ny tany Sy ny ranomasina ary izay rehetra ao amin\u2019ireo, Dia Ilay tsy mivadika mihitsy,",
        "7": "Ilay manome rariny ho an\u2019izay ambakaina, Ary manome hanina ho an\u2019ny noana. Manafaka an\u2019ireo migadra i Jehovah.",
        "8": "Manokatra ny mason\u2019ny jamba i Jehovah; Mampitraka an\u2019ireo mitanondrika i Jehovah; Tia an\u2019ireo olo-marina i Jehovah.",
        "9": "Miaro ny vahiny i Jehovah; Ampiany ny kamboty ray sy ny mpitondratena, Fa ny fikasan\u2019ny ratsy fanahy kosa ataony tsy tanteraka.",
        "10": "Ho Mpanjaka mandrakizay i Jehovah, Dia ilay Andriamanitrao, ry\u00a0Ziona\u00a0\u00f4, hatramin\u2019ny taranaka fara aman-dimby. Derao i Jah!"
    },
    "147": {
        "1": "Derao i Jah! Tsara ny mihira fiderana ho an\u2019ilay Andriamanitsika; Mahafinaritra er\u1ef3 sady mety tsara ny midera azy!",
        "2": "Manorina an\u2019i Jerosalema i Jehovah; Angoniny ireo Israelita miparitaka.",
        "3": "Manasitrana an\u2019ireo torotoro fo izy; Fonosiny ny ratran\u2019izy ireo.",
        "4": "Voaisany ny kintana, Ary antsoiny amin\u2019ny anarany avy izy rehetra.",
        "5": "Lehibe ilay Tompontsika sady tena mahery; Mahira-tsaina tsy misy hoatr\u2019izany izy.",
        "6": "Asandratr\u2019i Jehovah ny mpandefitra, Fa atsipiny amin\u2019ny tany kosa ny ratsy fanahy.",
        "7": "Manaova hira ho fisaorana an\u2019i Jehovah; Manaova hira sady mitendre harpa mba hiderana an\u2019ilay Andriamanitsika,",
        "8": "Dia Ilay manarona ny lanitra amin\u2019ny rahona, Ilay mandatsaka orana ho an\u2019ny tany, Ilay mampitsiry ahitra eny an-tendrombohitra.",
        "9": "Omeny sakafo ny biby Sy ny zana-goaika mikiakiaka mitady hanina.",
        "10": "Tsy ny tanjaky ny soavaly no mahafinaritra azy, Ary tsy mampihontsina azy ny tongotra matanjaky ny olona.",
        "11": "Fa ny olona matahotra azy no mahafinaritra an\u2019i Jehovah, Dia ireo miandry hoe hanehoany fitiavana sy tsy fivadihana.",
        "12": "Omeo voninahitra i Jehovah, ry Jerosalema\u00a0\u00f4! Derao ny Andriamanitrao, ry\u00a0Ziona\u00a0\u00f4!",
        "13": "Manamafy ny bara hidin\u2019ny vavahadin\u2019ny tan\u00e0nanao izy, Ary mitahy an\u2019ireo zanakao ao aminao.",
        "14": "Ataony manjaka ao amin\u2019ny faritra misy anao ny fiadanana, Ary ataony voky varimbazaha faran\u2019izay tsara ianao.",
        "15": "Mandefa ny didiny et\u1ef3 an-tany izy, Ka mihazakazaka haingana ny teniny.",
        "16": "Mandrotsaka lanezy, izay toy ny volonondry, izy, Ary manaparitaka lanezy manify toy ny lavenona.",
        "17": "Atsipiny toy ny sombi-mofo ny havandra. Iza no mahazaka ny hatsiaka entiny?",
        "18": "Mandefa ny teniny izy dia mitsonika ireny. Ataony mitsoka ny rivotra, dia mikoriana ny rano.",
        "19": "Milaza ny teniny amin\u2019i Jakoba izy. Lazainy amin\u2019i Israely ny fitsipiny sy ny didim-pitsarany.",
        "20": "Tsy nanao toy izany tamin\u2019ny firenen-kafa izy; Tsy mahafantatra na inona na inona momba ny didim-pitsarany ireny. Derao i Jah!"
    },
    "148": {
        "1": "Derao i Jah! Mider\u00e0 an\u2019i Jehovah, ianareo any an-danitra; Mider\u00e0 azy any amin\u2019ny avo.",
        "2": "Derao izy, ry\u00a0anjeliny rehetra. Derao izy, ry\u00a0tafiny manontolo.",
        "3": "Derao izy, ry\u00a0masoandro sy volana. Derao izy, ry\u00a0kintana rehetra mamirapiratra.",
        "4": "Derao izy, ry\u00a0lanitra avo indrindra \u00f4, Sy ry rano ambonin\u2019ny lanitra.",
        "5": "Aoka hidera ny anaran\u2019i Jehovah ireo, Fa nanome didy izy, dia voaforona ireo.",
        "6": "Ataony mafy orina mandrakizay mandrakizay ireo; Efa namoaka didy izy, ary tsy ho foana mihitsy izany.",
        "7": "Mider\u00e0 an\u2019i Jehovah, ianareo et\u1ef3 an-tany, Dia ianareo biby ngezabe any an-dranomasina sy ianareo rano lalina rehetra,",
        "8": "Ianareo tselatra sy havandra, lanezy sy rahona matevina, Ianareo rivo-mahery izay manatanteraka ny teniny,",
        "9": "Ianareo tendrombohitra sy ianareo havoana rehetra, Ianareo hazo fihinam-boa sy ianareo hazo sedera rehetra,",
        "10": "Ianareo bibidia sy ianareo biby fiompy rehetra, Ianareo biby mandady sy vorona manana elatra,",
        "11": "Ianareo mpanjakan\u2019ny tany sy ianareo firenena rehetra, Ianareo andriana sy ianareo mpitsara rehetra eto an-tany,",
        "12": "Ianareo tovolahy sy ianareo tovovavy, Ianareo lehilahy zokiolona sy ianareo tanora.",
        "13": "Aoka samy hidera ny anaran\u2019i Jehovah ireo, Fa ny anarany ihany no avo indrindra. Ambony noho ny tany sy ny lanitra ny voninahiny.",
        "14": "Hampitombo ny herin\u2019ny vahoakany izy, Mba hahazo dera izay rehetra tsy mivadika aminy, Dia ny zanak\u2019Israely, izay firenena akaiky azy. Derao i Jah!"
    },
    "149": {
        "1": "Derao i Jah! Mihir\u00e0 hira vaovao ho an\u2019i Jehovah; Derao eo anivon\u2019ny fiangonan\u2019ny olona tsy mivadika izy.",
        "2": "Aoka ny Israely hifaly amin\u2019Ilay Be\u00a0Voninahitra Mpanao azy; Aoka ny zanakalahin\u2019i Ziona hiravoravo amin\u2019ilay Mpanjakan\u2019izy ireo.",
        "3": "Aoka izy ireo hidera ny anarany amin\u2019ny dihy, Sy hihira fiderana ho azy, sady hively ampongatapaka no hitendry harpa.",
        "4": "Fa mahafinaritra an\u2019i Jehovah ny vahoakany. Ravahany famonjena ny mpandefitra.",
        "5": "Aoka ireo olona tsy mivadika hifaly noho ny voninahitra azony; Aoka izy ireo hihoby eo am-pandrianany.",
        "6": "Aoka ho eo am-bavany ny hira fiderana an\u2019Andriamanitra, Ary aoka hisy sabatra roa lela eny an-tanany,",
        "7": "Mba hamaliana an\u2019ireo firenena Sy hanasaziana ny vahoaka,",
        "8": "Mba hamatorana ny mpanjakan\u2019ireny amin\u2019ny rojo, Sy ny olona ambony eo aminy amin\u2019ny gadra\u00a0vy,",
        "9": "Ary mba hampiharana amin\u2019izy ireo ny didim-pitsarana voasoratra. Izay rehetra tsy mivadika amin\u2019Andriamanitra no mahazo an\u2019izany voninahitra izany. Derao i Jah!"
    },
    "150": {
        "1": "Derao i Jah! Derao ao amin\u2019ny toerany masina Andriamanitra. Derao izy, eny amin\u2019ny habakabaka, izay porofon\u2019ny heriny.",
        "2": "Derao izy noho ny asa lehibe nataony. Derao izy fa izy no tena miavaka indrindra.",
        "3": "Derao amin\u2019ny feon\u2019anjombona izy. Derao amin\u2019ny zavamaneno fitendry sy ny harpa izy.",
        "4": "Derao amin\u2019ny ampongatapaka sy ny dihy faribolana izy. Derao amin\u2019ny zavamaneno fitendry sy ny sodina izy.",
        "5": "Derao amin\u2019ny kipantsona mikarantsana izy. Derao amin\u2019ny kipantsona avo feo izy.",
        "6": "Aoka hidera an\u2019i Jah ny zavamananaina rehetra. Derao i Jah!"
    },
    "meta": {
        "name": "Salamo",
        "order": 18,
        "chapter_number": 150
    }
}