UNPKG

mg-bibles

Version:

A package for accessing Bible verses in Malagasy (MG), Diem, King James (KJV), and Louis Segond (APEE) versions

473 lines 77 kB
{
    "1": {
        "1": "Paoly, mpanompon\u2019i Kristy Jesosy sady voantso ho apostoly, ary voatokana hitory ny vaovao tsaran\u2019Andriamanitra,",
        "2": "dia ilay vaovao tsara nolazainy mialoha tamin\u2019ny alalan\u2019ny mpaminaniny, ao amin\u2019ny Soratra Masina.",
        "3": "Izany vaovao tsara izany dia momba an\u2019ilay Zanany, izay avy amin\u2019ny taranak\u2019i Davida raha araka ny nofo,",
        "4": "nefa noho ny herin\u2019ny fanahy masina dia natsangana tamin\u2019ny maty ka nambara hoe Zanak\u2019Andriamanitra. I Jesosy Kristy Tompontsika io Zanany io.",
        "5": "Tamin\u2019ny alalany izahay no nanehoana hatsaram-panahy miavaka sady notendrena ho apostoly, mba hino ka hankat\u00f2 azy ny firenena rehetra, ho voninahitry ny anarany.",
        "6": "Voantso avy tany amin\u2019ireny firenena ireny koa ianareo mba ho an\u2019i Jesosy Kristy.",
        "7": "Ho anareo rehetra any Roma, izay malalan\u2019Andriamanitra sy voantso ho olona masina, Enga anie ilay Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo mba haneho hatsaram-panahy miavaka aminareo sady hanome fiadanana anareo!",
        "8": "Voalohany, dia misaotra an\u2019Andriamanitro amin\u2019ny anaran\u2019i Jesosy Kristy aho noho ianareo rehetra. Malaza eran\u2019izao tontolo izao mantsy hoe manam-pinoana ianareo.",
        "9": "Manompo an\u2019Andriamanitra amin\u2019ny fo manontolo aho ka mitory ny vaovao tsara momba ny Zanany. Ary Andriamanitra no vavolombeloko fa mivavaka ho anareo foana aho,",
        "10": "sady mitalaho mba ho tonga soa aman-tsara any aminareo ihany, raha sitrapon\u2019Andriamanitra.",
        "11": "Tena te hahita anareo mantsy aho, satria te hizara fanomezana ara-panahy aminareo. Amin\u2019izay ianareo ho mafy orina,",
        "12": "na raha tsorina dia hoe mba ho afaka hifampahery isika. Dia hampahery anareo ny finoako, ary ny anareo koa hampahery ahy.",
        "13": "Tiako ho fantatrareo anefa, ry\u00a0rahalahy, fa efa imbetsaka aho no te ho any aminareo, saingy voasakana foana hatramin\u2019izao. Te ho any aminareo aho mba hahita vokatra tsara rehefa mitory any, hoatran\u2019ny any amin\u2019ny firenen-kafa koa.",
        "14": "Manana trosa amiko mantsy ny Grika sy ny tsy Grika, ary ny hendry sy ny tsy hendry.",
        "15": "Mazoto hitory ny vaovao tsara aminareo mipetraka any Roma koa \u00e0ry aho.",
        "16": "Tsy menatra ny vaovao tsara aho. Izy io mantsy no fomba ampiasain\u2019Andriamanitra hampisehoana ny heriny mba hamonjena an\u2019izay rehetra mino, ny Jiosy aloha vao ny Grika.",
        "17": "Fa aharihary amin\u2019ny alalan\u2019izy io hoe manao ny rariny Andriamanitra. Dia hitan\u2019ireo manam-pinoana izany ka vao mainka mitombo ny finoany, araka ny voasoratra hoe: \u201cNy olo-marina anefa ho velona satria manam-pinoana.\u201d",
        "18": "Fa aharihary avy any an-danitra ny hatezeran\u2019Andriamanitra amin\u2019ny olona rehetra tsy matahotra azy sy tsy manao ny marina. Mampiasa teti-dratsy izy ireny mba hisakanana ny olona tsy hahafantatra ny marina.",
        "19": "Efa nomena porofo ampy tsara mantsy izy ireny hahalalany an\u2019izay tokony ho fantatra momba an\u2019Andriamanitra, satria efa nampahafantarin\u2019Andriamanitra azy tsara izany.",
        "20": "Ny toetrany tsy hita maso, izany hoe ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra azy, dia hita mazava tsara hatramin\u2019ny namoronana an\u2019izao tontolo izao. Hita amin\u2019ny zavatra nataony mantsy izany toetrany izany, ka tsy manana fialan-tsiny izy ireny.",
        "21": "Nahafantatra an\u2019Andriamanitra izy ireny, nefa tsy mba nanome voninahitra azy na nisaotra azy. Fa lasa tsy misaina intsony izy ireny ka lasa maizina ny fony efa donto.",
        "22": "Na dia nilaza fa hendry aza izy ireny, dia lasa tsy misaina.",
        "23": "Ny voninahitra tokony ho nomeny an\u2019ilay Andriamanitra tsy mety lo, dia nomeny ho an\u2019ny sarin\u2019olona mety lo sy sarina vorona sy biby manan-tongotra efatra ary biby mandady.",
        "24": "Te hanao an\u2019izay nirin\u2019ny fony fotsiny izy ireny. Navelan\u2019Andriamanitra hanaraka fanao maloto \u00e0ry izy ireny, mba ho afa-baraka ny vatany.",
        "25": "Naleony lainga toy izay ny fahamarinana momba an\u2019Andriamanitra, ka zavatra noforonina indray no notompoiny sy nivavahany, fa tsy ilay Mpamorona, ilay deraina mandrakizay. Amena.",
        "26": "Izany no nahatonga an\u2019Andriamanitra hamela azy hanaram-po amin\u2019ny filan\u2019ny nofo maharikoriko. Tsy ny fanao voajanahary intsony mantsy no nataon\u2019ny vehivavy teo aminy, fa ny fanao tsy voajanahary.",
        "27": "Ny lehilahy koa lasa tsy nanao ny fanao voajanahary amin\u2019ny vehivavy intsony. Lasa nahery loatra mantsy ny filana tao amin\u2019izy samy lehilahy ka nanao zavatra mamoafady izy samy izy. Dia hiharan\u2019ny sazy sahaza azy izy ireny, noho ny fahadisoany.",
        "28": "Satria izy ireny nihevitra hoe tsy ilaina ny mahalala an\u2019Andriamanitra, dia navelan\u2019Andriamanitra hanana eritreri-dratsy izy ireny mba hanao zavatra tsy mendrika.",
        "29": "Tamin\u2019izay rehetra nataony, dia nanao ny tsy marina izy ireny, ratsy fanahy, tsy nety afa-po, ary nanao ratsy. Feno fitsiriritana koa izy ireny, mamono olona, tia mifamaly, mamitaka, tia manisy ratsy olona, mpifosafosa,",
        "30": "mpanaratsy olona, mpankahala an\u2019Andriamanitra, mpaniratsira, mpanambony tena, mpirehareha, mpanao teti-dratsy, tsy mpankat\u00f2 ray aman-dreny,",
        "31": "tsy misaina, tsy manaja fifanekena, tsy tia ny mpianakaviny, ary tsy miantra.",
        "32": "Fantany tsara mihitsy ilay didin\u2019Andriamanitra ara-drariny hoe mendrika ny ho faty izay mpanao an\u2019izany, nefa mbola manao ihany izy sady mankasitraka an\u2019izay mpanao an\u2019izany koa."
    },
    "2": {
        "1": "Raha mitsara olona \u00e0ry ianao, ry\u00a0rahalahy, dia tsy manana fialan-tsiny, na iza ianao na iza. Fa manameloka ny tenanao ianao rehefa mitsara olona, satria ianao izay mitsara io dia mba mpanao an\u2019izay ataony koa.",
        "2": "Fantatsika anefa fa mitsara araka ny marina Andriamanitra ary manameloka an\u2019izay mpanao an\u2019izany zavatra izany.",
        "3": "Sao heverinao hoe ho afa-mandositra ny fitsaran\u2019Andriamanitra ianao, ry\u00a0rahalahy, raha mitsara an\u2019ireo mpanao an\u2019izany zavatra izany, nefa ianao aza mba manao an\u2019izany koa?",
        "4": "Sa tsy raharahianao hoe faran\u2019izay tsara fanahy sy mandefitra ary manam-paharetana izy? Tsy fantatrao angaha fa tian\u2019Andriamanitra hibebaka ianao matoa tsara fanahy aminao izy?",
        "5": "Mafy loha anefa ianao ary tsy mety mibebaka ny fonao, ka hoatran\u2019ny hoe manangona ny fahatezeran\u2019Andriamanitra ho anao amin\u2019ilay andro hanamparany ny hatezerany sy hitsarany araka ny rariny ianao.",
        "6": "Ary hamaly ny tsirairay araka izay nataony avy izy:",
        "7": "Ho an\u2019izay te hahazo voninahitra sy haja ary vatana tsy mety lo, ka manao ny tsara foana, dia fiainana mandrakizay.",
        "8": "Ho an\u2019ireo tia ady sy tsy manaraka ny fahamarinana fa manao ny tsy marina foana kosa, dia sazy sy fahatezerana.",
        "9": "Fahoriana sy fijaliana no hanjo an\u2019izay rehetra manao ratsy, ny Jiosy aloha vao ny Grika.",
        "10": "Fa voninahitra sy haja ary fiadanana kosa ho an\u2019izay rehetra manao ny tsara, ho an\u2019ny Jiosy aloha vao ny Grika koa.",
        "11": "Fa tsy mijery tavan\u2019olona Andriamanitra.",
        "12": "Ho faty tsy manana lal\u00e0na izay rehetra nanota nefa tsy nanana lal\u00e0na. Hotsarain\u2019ny lal\u00e0na kosa izay rehetra nanota teo ambanin\u2019ny lal\u00e0na.",
        "13": "Fa tsy izay mihaino ny lal\u00e0na no olo-marina eo anatrehan\u2019Andriamanitra, fa ny mpankat\u00f2 ny lal\u00e0na no hambara hoe olo-marina.",
        "14": "Manao an\u2019izay takin\u2019ny lal\u00e0na ny olona hafa firenena tsy manana lal\u00e0na, satria voajanahary izany. Na dia tsy manana lal\u00e0na aza izy ireo, dia toy ny efa misy lal\u00e0na ao am-pony ao.",
        "15": "Izy ireo mihitsy no mampiseho hoe voasoratra ao am-pony ny lal\u00e0na, ary ny feon\u2019ny fieritreretany koa no vavolombelon\u2019izany, ka ny eritreriny ihany no miampanga azy na manala tsiny azy mihitsy aza.",
        "16": "Hitranga izany amin\u2019ny andro hitsaran\u2019Andriamanitra ny zavatra ataon\u2019ny olona ao amin\u2019ny miafina, ka amin\u2019ny alalan\u2019i Kristy Jesosy Izy no hitsara, araka ny vaovao tsara toriko.",
        "17": "Milaza ianao hoe Jiosy, ary miantehitra amin\u2019ny lal\u00e0na ianao sady reharehanao Andriamanitra.",
        "18": "Hainao koa ny sitrapony ka fantatrao izay tena tsara, satria ampianarina ny Lal\u00e0na ianao.",
        "19": "Resy lahatra koa ianao hoe mpitarika ny jamba ianao, fahazavana ho an\u2019izay ao anaty haizina,",
        "20": "mpananatra ny tsy misaina, mpampianatra ny zaza bodo, ary azonao tsara ny fototry ny fahalalana sy ny fahamarinana ao amin\u2019ny Lal\u00e0na.",
        "21": "Izao anefa: Ianao mba mampianatra olona, dia maninona ianao no tsy mampianatra ny tenanao? Ianao mba mitory hoe: \u201cAza mangalatra\u201d, dia maninona ianao no mangalatra?",
        "22": "Ianao mba milaza hoe: \u201cAza manitsakitsa-bady\u201d, dia maninona ianao no manitsakitsa-bady? Ianao mba mankahala sampy, dia maninona ianao no mandroba tempoly?",
        "23": "Ianao mba mirehareha hoe manana lal\u00e0na, dia maninona ianao no mandika ny Lal\u00e0na ka manala baraka an\u2019Andriamanitra?",
        "24": "Fa \u201ctevatevaina eo amin\u2019ny hafa firenena ny anaran\u2019Andriamanitra, noho ny ataonareo\u201d, araka ny efa voasoratra.",
        "25": "Raha manaraka lal\u00e0na ihany ianao vao mahasoa anao ny famorana. Raha mpandika lal\u00e0na anefa ianao, dia lasa tsy voafora indray ianao na dia efa voafora aza.",
        "26": "Raha manao an\u2019izay takin\u2019ny Lal\u00e0na \u00e0ry ny olona tsy mifora, tsy efa anisan\u2019ny voafora ihany ve izy na dia tsy mifora aza?",
        "27": "Ary hitsara anao mpandika lal\u00e0na ny olona tsy mifora rehefa mankat\u00f2 ny Lal\u00e0na, na dia manana lal\u00e0na aza ianao sady voafora.",
        "28": "Fa tsy zavatra et\u1ef3 ivelany no maha Jiosy ny Jiosy, ary ny famorana koa tsy zavatra et\u1ef3 ivelany, na hoe eo amin\u2019ny nofo.",
        "29": "Fa izay ao anatin\u2019ny fo no maha Jiosy ny Jiosy, ary ny fony no voafora ka ny fanahy no namorana azy, fa tsy ny lal\u00e0na voasoratra. Koa Andriamanitra, fa tsy ny olona, no hidera azy."
    },
    "3": {
        "1": "Inona \u00e0ry no tombony ananan\u2019ny Jiosy, ary inona no soa azo amin\u2019ny famorana?",
        "2": "Be dia be mihitsy. Voalohany indrindra, dia ny Jiosy no nanankinan\u2019Andriamanitra ny teniny masina.",
        "3": "Dia ahoana \u00e0ry raha misy Jiosy tsy ampy finoana? Midika ve izany hoe tsy azo atokisana intsony Andriamanitra?",
        "4": "Sanatria izany! Ho hita fa marina Andriamanitra na dia hita fa mpandainga aza ny olona rehetra, araka ny voasoratra hoe: \u201cMba ho hita fa manana ny marina ianao amin\u2019izay lazainao, ary handresy rehefa misy mitsara.\u201d",
        "5": "Raha ny ratsy ataontsika anefa no mampiseho hoe manao ny rariny Andriamanitra, dia inona no hotenenintsika? Hiteny ve isika hoe tsy rariny ny ataon\u2019Andriamanitra rehefa mampihatra ny hatezerany izy?\u2014Izany lazaiko izany no eritreretin\u2019ny olona.\u2014",
        "6": "Sanatria izany! Raha manao ny tsy rariny Andriamanitra, dia hataony ahoana no hitsara an\u2019izao tontolo izao?",
        "7": "Raha ny laingako anefa no mampiseho hoe marina Andriamanitra ka lasa mahazo voninahitra izy, dia maninona aho no mbola tsaraina hoe mpanota ihany?",
        "8": "Koa tsy aleo \u00e0ry ve miteny hoe: \u201cAndao hanao ratsy mba hiavian\u2019ny soa\u201d? Endrikendrehin\u2019ny olona hoe miteny an\u2019izany mantsy isika. Rariny raha melohina ireny olona ireny.",
        "9": "Manana tombony \u00e0ry ve isika raha oharina amin\u2019ny hafa? Tsy izany mihitsy! Efa nohazavaintsika teo aloha hoe andevozin\u2019ny ota daholo na ny Jiosy na ny Grika,",
        "10": "araka ny voasoratra hoe: \u201cTsy misy olo-marina, na iray aza.",
        "11": "Tsy misy olona lalin-tsaina, ary tsy misy olona mitady an\u2019Andriamanitra.",
        "12": "Efa nivily nankany amin\u2019ny lalan-diso daholo ny olona, ka samy tsy misy vidiny izy rehetra. Tsy mba misy mampiseho hoe tsara fanahy, na dia iray aza.\u201d",
        "13": "\u201cFasana misokatra ny tendany, ary ny lelany no amitahany.\u201d \u201cMisy poizin\u2019ny bibilava ao am-bavany.\u201d",
        "14": "\u201cFeno ozona sy fankahalana ao am-bavany.\u201d",
        "15": "\u201cMaika handatsa-dra ny tongony.\u201d",
        "16": "\u201cFandringanana sy fandravana no eny amin\u2019ny lalany,",
        "17": "ary tsy fantany ny lalan\u2019ny fiadanana.\u201d",
        "18": "\u201cTsy hitan\u2019izy ireo izay antony tokony hatahorana an\u2019Andriamanitra.\u201d",
        "19": "Fantatsika fa ny zava-drehetra lazain\u2019ny Lal\u00e0na dia ho an\u2019izay eo ambanin\u2019ny Lal\u00e0na, mba ho tampina ny vavan\u2019ny olona rehetra, ary ho mendrika ny hosazin\u2019Andriamanitra izao tontolo izao.",
        "20": "Tsy misy olona hambara ho marina eo anatrehan\u2019Andriamanitra \u00e0ry raha hoe mankat\u00f2 lal\u00e0na fotsiny, satria natao fotsiny hahafantarana tsara ny atao hoe ota ny lal\u00e0na.",
        "21": "Hita anefa izao fa afaka ny ho lasa olo-marina eo anatrehan\u2019Andriamanitra ny olona, na dia tsy manaraka lal\u00e0na aza. Izany koa no lazain\u2019ny Lal\u00e0na sy ny Mpaminany.",
        "22": "Tena afaka ny ho lasa olo-marina eo anatrehan\u2019Andriamanitra izay rehetra manam-pinoana an\u2019i Jesosy Kristy. Mitovy daholo mantsy ny olona.",
        "23": "Fa samy efa nanota ny olona rehetra ka tsy mahatratra ny voninahitr\u2019Andriamanitra.",
        "24": "Fanomezana maimaim-poana ilay hoe nambara hoe olo-marina izy ireo noho ny hatsaram-panahy miavaka asehon\u2019Andriamanitra. Ary nampiseho an\u2019izany hatsaram-panahy izany Andriamanitra rehefa nanome ny vidim-panavotana naloan\u2019i Kristy Jesosy mba hanafahana azy ireo.",
        "25": "Fa natolotr\u2019Andriamanitra ho fanatitra fampihavanana i Kristy, mba hihavana aminy izay mino ny rany. Nanao an\u2019izany Andriamanitra mba hampisehoana hoe marina Izy, satria be fandeferana Izy ka namela ny fahotana natao tamin\u2019ny lasa.",
        "26": "Nanao an\u2019izany koa Izy mba hampisehoana hoe marina Izy ankehitriny. Amin\u2019izay dia ho marina Izy rehefa manambara hoe olo-marina izay mino an\u2019i Jesosy.",
        "27": "Misy antony ireharehana \u00e0ry ve? Tsy misy. Fa inona ny lal\u00e0na azo ireharehana? Ilay lal\u00e0na manasongadina hoe izay atao no zava-dehibe ve? Tsy izany mihitsy fa ilay lal\u00e0na hoe tena ilaina ny finoana.",
        "28": "Mihevitra mantsy isika fa izay manam-pinoana no ambara ho marina, fa tsy izay manao zavatra mifanaraka amin\u2019ny lal\u00e0na.",
        "29": "Angaha izy Andriamanitry ny Jiosy ihany? Angaha izy tsy Andriamanitry ny hafa firenena koa? Eny, an\u2019ny hafa firenena koa.",
        "30": "Iray ihany Andriamanitra, ka izay voafora dia hambarany hoe olo-marina satria manam-pinoana, ary izay tsy voafora koa dia mbola hambarany hoe olo-marina satria manam-pinoana.",
        "31": "Foanantsika amin\u2019ny finoantsika \u00e0ry ve ny lal\u00e0na? Sanatria izany! Vao mainka aza tohanantsika izy io."
    },
    "4": {
        "1": "Raha izany \u00e0ry, inona no holazaintsika fa azon\u2019i Abrahama, ilay razambentsika ara-nofo?",
        "2": "Raha nambara hoe olo-marina i Abrahama noho ny zavatra nataony, dia ho nanana antony nireharehana izy. Tsy ho afaka nirehareha teo anatrehan\u2019Andriamanitra anefa izy.",
        "3": "Fa inona no lazain\u2019ny Soratra Masina? \u201cNaneho finoana an\u2019i Jehovah i Abrahama, ka nekena hoe olo-marina.\u201d",
        "4": "Ho an\u2019izay miasa, dia tsy heverina hoe hatsaram-panahy miavaka ny karama omena azy, fa zavatra tsy maintsy aloa aminy.",
        "5": "Fa ho an\u2019izay tsy miasa kosa nefa mino an\u2019Ilay manambara ny ratsy fanahy hoe olo-marina, dia ekena ho olo-marina izy satria manam-pinoana.",
        "6": "I Davida koa nilaza fa sambatra izay eken\u2019Andriamanitra hoe olo-marina na dia tsy noho ny zavatra ataony aza. Hoy izy:",
        "7": "\u201cSambatra izay voavela ny helony, ary voasarona ny fahotany.",
        "8": "Sambatra ny olona izay tsy hisain\u2019i Jehovah mihitsy ny fahotany.\u201d",
        "9": "Ny voafora ihany \u00e0ry ve izany no afaka ny ho sambatra hoatr\u2019izany, sa ny tsy voafora koa? Hoy mantsy isika: \u201cNekena hoe olo-marina i Abrahama satria nanam-pinoana.\u201d",
        "10": "Oviana \u00e0ry izy no nekena hoe olo-marina? Tamin\u2019izy efa voafora sa tamin\u2019izy mbola tsy voafora? Tsy tamin\u2019izy efa voafora, fa tamin\u2019izy mbola tsy voafora.",
        "11": "Ary nahazo famantarana izy, dia ny famorana. Io no antoka hoe olo-marina izy satria nanam-pinoana tamin\u2019izy mbola tsy voafora. Dia izany no nahatonga azy ho lasa rain\u2019izay rehetra manam-pinoana nefa tsy voafora, mba heken\u2019Andriamanitra hoe olo-marina ireny.",
        "12": "Dia izany koa no nahatonga azy ho lasa rain\u2019ny taranaka voafora, ary tsy hoe rain\u2019izay mpandala ny famorana ihany, fa izay mampiseho amin\u2019ny fomba fiainany koa hoe manana finoana hoatran\u2019ny an\u2019i Abrahama raintsika tamin\u2019izy mbola tsy voafora.",
        "13": "Tsy hoe satria nankat\u00f2 lal\u00e0na i Abrahama na ny taranany dia nampanantenaina hoe handova tontolo iray, fa satria nekena hoe olo-marina izy noho izy nanam-pinoana.",
        "14": "Fa raha izay manaraka lal\u00e0na no mpandova, dia lasa tsy misy ilana azy ny finoana, sady foana ilay fampanantenana.",
        "15": "Mahatonga ny fahatezeran\u2019Andriamanitra mantsy ny Lal\u00e0na, satria rehefa tsy misy lal\u00e0na, dia tsy misy fandikan-dal\u00e0na.",
        "16": "Noho izany, dia nahazo an\u2019ilay fampanantenana i Abrahama satria nanam-pinoana, ary hatsaram-panahy miavaka no nahazoany an\u2019izany. Amin\u2019izay dia azo antoka fa ho tanteraka amin\u2019ny taranany rehetra ilay fampanantenana, tsy ho an\u2019izay manaraka ny Lal\u00e0na ihany, fa ho an\u2019izay mampiseho finoana hoatran\u2019ny an\u2019i Abrahama raintsika rehetra koa.",
        "17": "\u2014Izao mantsy no voasoratra: \u201cNotendreko ho rain\u2019ny firenena maro ianao.\u201d\u2014 Natao teo imason\u2019ilay Andriamanitra ninoany izany, dia Ilay mamelona ny maty ary milaza ny zavatra mbola tsy mitranga ho toy ny efa mitranga.",
        "18": "Mbola nanantena ihany i Abrahama na dia hoatran\u2019ny tsy nisy azo nantenaina intsony aza, ka nino hoe mety ho lasa rain\u2019ny firenena maro izy, araka ilay voalaza hoe: \u201cHo tahaka izany ny taranakao.\u201d",
        "19": "Ary na dia tsy nihanalemy aza ny finoany, dia fantany fa toy ny efa maty ny vatany,\u2014efa 100\u00a0taona teo ho eo mantsy i Abrahama\u2014ary efa maty koa ny kibon\u2019i Saraha.",
        "20": "Efa nampanantena anefa Andriamanitra, ka nino i Abrahama fa tsy nisalasala mihitsy. Dia nahazo hery izy noho ny finoany, ka nanome voninahitra an\u2019Andriamanitra,",
        "21": "ary niaiky tanteraka fa vitan\u2019Andriamanitra ny manatanteraka an\u2019izay nampanantenainy.",
        "22": "Koa \u201cnekena hoe olo-marina izy.\u201d",
        "23": "Tsy ho azy ihany anefa no nanoratana an\u2019ilay hoe: \u201cNekena hoe olo-marina izy\u201d,",
        "24": "fa ho antsika koa. Natao ho antsika koa izany, satria mino an\u2019Ilay nanangana an\u2019i Jesosy Tompontsika tamin\u2019ny maty isika.",
        "25": "Fa natolotra ho faty noho ny helotsika izy, ary natsangana tamin\u2019ny maty mba hanambarana antsika hoe olo-marina."
    },
    "5": {
        "1": "Koa satria nambara hoe olo-marina isika ankehitriny noho isika mino, dia mila mihavana amin\u2019Andriamanitra foana isika, amin\u2019ny alalan\u2019i Jesosy Kristy Tompontsika.",
        "2": "Tamin\u2019ny alalan\u2019i Kristy no nahatonga antsika ho afaka hanatona an\u2019Andriamanitra, sy hanehoana an\u2019izany hatsaram-panahy miavaka izany, ary efa anehoana an\u2019izany isika izao. Aoka \u00e0ry isika hifaly noho ny fanantenana ny voninahitr\u2019Andriamanitra.",
        "3": "Ary tsy izany ihany fa aoka koa isika hifaly ao anatin\u2019ny fahoriana, satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga fiaretana.",
        "4": "Ny fiaretana indray mahatonga antsika hankasitrahan\u2019Andriamanitra, ny fankasitrahan\u2019Andriamanitra kosa mahatonga antsika hanana fanantenana,",
        "5": "ary ny fanantenana tsy mba mandiso fanantenana, satria efa natao ao am-pontsika ny fitiavan\u2019Andriamanitra, tamin\u2019ny alalan\u2019ny fanahy masina nomena antsika.",
        "6": "Fa tamin\u2019isika mbola nalemy, dia maty ho an\u2019ny ratsy fanahy i Kristy, tamin\u2019ny fotoana voatondro.",
        "7": "Mahalana vao misy manaiky ho faty ho an\u2019ny olo-marina, na dia mety hisy vonona ho faty ho an\u2019ny olona tsara fanahy ihany aza.",
        "8": "Nasehon\u2019Andriamanitra anefa hoe tiany isika, satria tamin\u2019isika mbola mpanota, dia maty ho antsika i Kristy.",
        "9": "Ankoatra izany, dia efa nambara hoe olo-marina isika izao noho ny ran\u2019i Kristy, ka matoky fa hovonjena amin\u2019ny alalany mba tsy hiharan\u2019ny fahatezeran\u2019Andriamanitra.",
        "10": "Fa tamin\u2019isika mbola fahavalo no nampihavanina tamin\u2019Andriamanitra, tamin\u2019ny nahafatesan\u2019ny Zanany. Vao mainka \u00e0ry isika matoky hoe hovonjena, amin\u2019izao isika efa mihavana aminy izao, satria velona i Kristy.",
        "11": "Ary tsy izany ihany fa mifaly koa isika satria mifandray amin\u2019Andriamanitra amin\u2019ny alalan\u2019i Jesosy Kristy Tompontsika, ilay nahatonga antsika ho afaka hihavana amin\u2019Andriamanitra izao.",
        "12": "Koa tahaka ny nidiran\u2019ny ota teo amin\u2019izao tontolo izao noho ny nataon\u2019ny lehilahy iray, ary ny ota no nahatonga ny fahafatesana, ka niely tamin\u2019ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra...",
        "13": "Fa tamin\u2019ny mbola tsy nisy ny Lal\u00e0na, dia efa teo amin\u2019izao tontolo izao ny fahotana. Tsy misy olona ampangaina ho manota anefa rehefa tsy misy lal\u00e0na.",
        "14": "Na izany aza, dia nanjaka hatramin\u2019i Adama ka hatramin\u2019i Mosesy ny fahafatesana. Nanjakan\u2019ny fahafatesana ihany koa aza izay tsy nanao fahotana hoatran\u2019ny nataon\u2019i Adama, izay misy itovizana amin\u2019ilay ho avy.",
        "15": "Tsy mitovy anefa ny vokatry ny heloka sy ny vokatry ny fanomezana. Raha ny heloky ny lehilahy iray no nahafaty olona maro, dia vao mainka nitondra soa be dia be ho an\u2019ny maro ny hatsaram-panahy miavaka nasehon\u2019Andriamanitra, sy ny fanomezany maimaim-poana, ary ny hatsaram-panahy miavaka nasehon\u2019ny lehilahy iray, dia i Jesosy Kristy.",
        "16": "Ary tsy mitovy amin\u2019ny vokatry ny fahotan\u2019ny lehilahy iray ny vokatr\u2019ilay fanomezana maimaim-poana. Fanamelohana no vokany rehefa notsaraina ny lehilahy iray noho ny heloka nataony, fa ilay fanomezana nomena noho ny heloky ny olona maro kosa nahatonga ny olombelona hambara ho marina.",
        "17": "Ny heloky ny lehilahy iray, izany hoe noho ny nataony, no nahatonga ny fahafatesana hanjaka. Koa vao mainka ho velona sy hanjaka \u00e0ry ireo nanehoana hatsaram-panahy lehibe sy nomena fanomezana maimaim-poana be dia be, noho ny nataon\u2019ny olona iray, dia Jesosy Kristy. Izany fanomezana izany dia ny nanambarana azy ireo hoe olo-marina.",
        "18": "Heloka iray \u00e0ry no nahatonga ny karazan\u2019olona rehetra homelohina. Hoatr\u2019izany koa fa ny fanamarinana nataon\u2019ny olona iray no nahatonga ny karazan\u2019olona rehetra hambara hoe olo-marina ka hahazo fiainana.",
        "19": "Fa rehefa tsy nankat\u00f2 ny lehilahy iray, dia olona maro no lasa mpanota. Dia hoatr\u2019izany koa fa rehefa nankat\u00f2 ny olona iray, dia olona maro no lasa olo-marina.",
        "20": "Ary tonga ny Lal\u00e0na mba hampisehoana fa be dia be ny heloka. Arakaraka ny habetsahan\u2019ny ota anefa, dia vao mainka koa lehibe ny hatsaram-panahy miavaka.",
        "21": "Inona no tanjona amin\u2019izany? Mba ho tahaka ny nanjakan\u2019ny ota sy ny fahafatesana no hanjakan\u2019ny hatsaram-panahy miavaka. Amin\u2019izay dia hambara hoe olo-marina ny olona, ka hahazo fiainana mandrakizay amin\u2019ny alalan\u2019i Jesosy Kristy Tompontsika."
    },
    "6": {
        "1": "Inona \u00e0ry no holazaintsika? Hanota foana ve isika dia amin\u2019izay hanehoana hatsaram-panahy betsaka kokoa?",
        "2": "Sanatria izany! Isika aza efa maty raha ny ota no resahina, dia ahoana no mbola ahafahantsika ho velona ao anatin\u2019ny ota ihany?",
        "3": "Sa tsy fantatrareo fa isika rehetra izay natao batisa tao amin\u2019i Kristy Jesosy, dia natao batisa tao amin\u2019ny fahafatesany?",
        "4": "Niara-nalevina taminy \u00e0ry isika rehefa natao batisa tao amin\u2019ny fahafatesany. Amin\u2019izay isika hanana fiainam-baovao, hoatran\u2019i Kristy natsangan\u2019ny Ray tamin\u2019ny maty, tamin\u2019ny alalan\u2019ny heriny.",
        "5": "Raha lasa tafaray amin\u2019i Kristy isika rehefa maty hoatr\u2019azy, dia tena ho tafaray aminy koa isika rehefa atsangana amin\u2019ny maty hoatr\u2019azy.",
        "6": "Fantatsika mantsy fa niara-nofantsihana taminy teo amin\u2019ny tsato-kazo ny toetrantsika taloha. Amin\u2019izay isika tsy hofehezin\u2019ny fanirian-dratsy ao amin\u2019ny vatantsika, ka tsy ho mpanompon\u2019ny ota intsony.",
        "7": "Fa izay maty dia afaka madiodio amin\u2019ny fahotany.",
        "8": "Ankoatra izany, raha miara-maty amin\u2019i Kristy isika, dia mino fa hiaraka ho velona aminy koa.",
        "9": "Fantatsika mantsy fa tsy ho faty intsony i Kristy amin\u2019izao izy efa natsangana tamin\u2019ny maty izao. Tsy manjaka aminy intsony ny fahafatesana.",
        "10": "Fa rehefa maty izy, dia maty indray mandeha fotsiny mba hanesorana ny ota. Rehefa velona kosa izy, dia velona mba hanao ny sitrapon\u2019Andriamanitra.",
        "11": "Hoatr\u2019izany koa ianareo: Hevero hoe efa maty ianareo raha ny ota no resahina, fa velona kosa mba hanao ny sitrapon\u2019Andriamanitra, satria mpanara-dia an\u2019i Kristy Jesosy.",
        "12": "Aza avela hanjaka foana amin\u2019ny vatanareo mety maty \u00e0ry ny ota, mba tsy hanatanterahanareo ny fanirian\u2019ny vatanareo.",
        "13": "Ary aza atolotra hofehezin\u2019ny ota intsony ny vatanareo mba tsy ho fitaovam-piadian\u2019ny tsy fahamarinana. Fa atolory ho an\u2019Andriamanitra kosa ny tenanareo, izay toy ny efa maty nefa efa velona izao. Atolory azy ny vatanareo mba ho fitaovam-piadian\u2019ny fahamarinana.",
        "14": "Fa aza avela hanjaka aminareo ny ota, satria tsy ambanin\u2019ny lal\u00e0na ianareo fa nanehoana hatsaram-panahy miavaka.",
        "15": "Dia ahoana \u00e0ry? Hanota ve isika satria tsy ambanin\u2019ny lal\u00e0na fa nanehoana hatsaram-panahy miavaka? Sanatria izany!",
        "16": "Angaha tsy fantatrareo fa raha manaiky ho mpanompon\u2019ny olona iray ianareo ka mankat\u00f2 azy, dia lasa mpanompon\u2019ilay olona ankatoavinareo? Raha mpanompon\u2019ny ota \u00e0ry ianareo, dia ho faty, fa raha mpanompo mankat\u00f2 an\u2019Andriamanitra kosa, dia ho lasa olo-marina.",
        "17": "Isaorana anefa Andriamanitra fa na mpanompon\u2019ny ota aza ianareo taloha, dia lasa mpankat\u00f2 amin\u2019ny fo an\u2019ilay fampianarana nomena anareo.",
        "18": "Koa lasa mpanompon\u2019ny fahamarinana ianareo, satria nafahana tamin\u2019ny ota.",
        "19": "Mampiasa teny azon\u2019ny olona aho noho ny fahalemen\u2019ny nofonareo. Natolotrareo ho mpanompon\u2019ny fahalotoana sy ny fandikan-dal\u00e0na mantsy ny vatanareo mba handika lal\u00e0na, fa izao kosa atolory ho mpanompon\u2019ny fahamarinana ny vatanareo mba ho masina.",
        "20": "Fa tamin\u2019ianareo mpanompon\u2019ny ota, dia tsy nifehy anareo ny fahamarinana.",
        "21": "Inona \u00e0ry ny vokatra azonareo tamin\u2019izay nataonareo tamin\u2019izany fotoana izany? Zavatra mahamenatra anareo amin\u2019izao, satria fahafatesana no hiafarany.",
        "22": "Efa nafahana tamin\u2019ny ota anefa ianareo izao ka lasa mpanompon\u2019Andriamanitra. Fahamasinana \u00e0ry no vokatry ny ataonareo, ary fiainana mandrakizay no hiafarany.",
        "23": "Fa fahafatesana no tambin\u2019ny ota, fa fiainana mandrakizay amin\u2019ny alalan\u2019i Kristy Jesosy Tompontsika kosa no fanomezana omen\u2019Andriamanitra."
    },
    "7": {
        "1": "Ry rahalahy, angaha tsy fantatrareo fa fehezin\u2019ny Lal\u00e0na ny olona raha mbola velona?\u2014Ianareo mahafantatra ny lal\u00e0na no iresahako.\u2014",
        "2": "Voafatotry ny lal\u00e0na hikambana amin\u2019ny vadiny, ohatra, ny vehivavy, raha mbola velona ny vadiny. Fa raha maty kosa ny vadiny, dia afaka amin\u2019ny lal\u00e0n\u2019ny vadiny izy.",
        "3": "Raha mbola velona \u00e0ry ny vadiny, dia holazaina hoe mpanitsakitsa-bady ilay vehivavy raha lasa vadin\u2019olon-kafa. Fa raha maty kosa ny vadiny, dia afaka amin\u2019ny lal\u00e0n\u2019ny vadiny ilay vehivavy, ka tsy mpanitsakitsa-bady raha lasa vadin\u2019olon-kafa.",
        "4": "Hoatr\u2019izany koa ianareo, ry rahalahiko: Nafahana tamin\u2019ny Lal\u00e0na ianareo, tamin\u2019ny alalan\u2019ny soron\u2019i Kristy, mba ho lasa vadin\u2019olon-kafa, izany hoe vadin\u2019ilay natsangana tamin\u2019ny maty, dia amin\u2019izay isika hamokatra voa tsara ho an\u2019Andriamanitra.",
        "5": "Tamin\u2019isika nanatanteraka ny fanirian\u2019ny nofo, dia niasa tao amin\u2019ny vatantsika ny faniriana hanota, mba hahatonga antsika hanao zavatra miteraka fahafatesana. Ny Lal\u00e0na no nanaitra an\u2019izany fanirian-dratsy izany tao amintsika.",
        "6": "Nafahana anefa isika izao ka tsy mamatotra antsika intsony ny Lal\u00e0na, satria efa maty isika raha ny amin\u2019ny Lal\u00e0na. Nafahana isika mba hanompo an\u2019Andriamanitra, ka manaiky hotarihin\u2019ny fanahy isika amin\u2019izao, fa tsy manaraka an\u2019ilay lal\u00e0na voasoratra hoatran\u2019ny taloha intsony.",
        "7": "Inona \u00e0ry no holazaintsika? Ota ve ny Lal\u00e0na? Sanatria izany! Tsy ho nahafantatra ny ota anefa aho raha tsy teo ny Lal\u00e0na. Tsy ho fantatro, ohatra, ny fitsiriritana, raha tsy ny Lal\u00e0na no nilaza hoe: \u201cAza mitsiriritra.\u201d",
        "8": "Noho io didy io anefa, dia lasa nahita hirika ny ota ka nampitsiry an\u2019izao karazana fitsiriritana rehetra izao tato anatiko. Fa maty ny ota raha tsy misy lal\u00e0na.",
        "9": "Raha ny marina, dia velona tsy nanan-dal\u00e0na aho taloha. Rehefa tonga anefa ny didy, dia velona indray ny ota, fa izaho kosa maty.",
        "10": "Ary ny didy izay tokony hoe hahazoana fiainana, dia hay nitarika ho amin\u2019ny fahafatesana.",
        "11": "Fa noho ny didy koa, dia lasa nahita hirika ny ota ka namitaka ahy ary namono ahy.",
        "12": "Masina anefa ny Lal\u00e0na, ary masina ny didy, sady ara-drariny no tsara.",
        "13": "Koa zavatra tsara \u00e0ry ve no nahafaty ahy? Sanatria izany! Fa ny ota no nahafaty ahy. Zavatra tsara no nampiasain\u2019ny ota hamonoana ahy, mba hampisehoana ny atao hoe ota. Dia amin\u2019izay ny didy no vao mainka hampiseho hoe tena ratsy ny ota.",
        "14": "Fantatsika mantsy fa avy amin\u2019Andriamanitra ny Lal\u00e0na. Izaho kosa nofo, namidy ho andevon\u2019ny ota.",
        "15": "Fa tsy azoko hoe inona \u00e0ry izao ataoko izao. Tsy izay tiako hatao mantsy no ataoko, fa izay halako.",
        "16": "Raha manao izay tsy tiako hatao anefa aho, dia midika izany hoe ekeko fa tsara ny Lal\u00e0na.",
        "17": "Tsy izaho intsony anefa no manao an\u2019izany, fa ny ota ato anatiko.",
        "18": "Fantatro mantsy fa tsy misy zavatra tsara ato anatiko, izany hoe ato amin\u2019ny nofoko. Fa mba maniry hanao ny tsara ihany aho, saingy tsy vitako ny manatanteraka an\u2019izany.",
        "19": "Tsy ny tsara izay tiako hatao mantsy no ataoko, fa ny ratsy izay tsy tiako hatao no ataoko fanao.",
        "20": "Raha izay tsy tiako hatao \u00e0ry no ataoko, dia tsy izaho intsony no manao an\u2019izany, fa ny ota ato anatiko.",
        "21": "Izao lal\u00e0na izao \u00e0ry no tsapako ato anatiko ato: Rehefa te hanao ny tsara aho, dia ato anatiko ihany ny ratsy.",
        "22": "Raha ny tsapako ato am-poko ato, dia tena mahafinaritra ahy ny lal\u00e0n\u2019Andriamanitra.",
        "23": "Misy lal\u00e0na hafa miady amin\u2019ny lal\u00e0na mifehy ny saiko anefa ao amin\u2019ny vatako ao, sady mitarika ahy ho babon\u2019ny lal\u00e0n\u2019ny ota ao amin\u2019ny vatako.",
        "24": "Indrisy! Tena mampalahelo aho! Iza no hanafaka ahy amin\u2019ity vatana mitarika ahy any amin\u2019ny fahafatesana ity?",
        "25": "Hisaorana anie Andriamanitra, fa izy no hamonjy ahy amin\u2019ny alalan\u2019i Jesosy Kristy Tompontsika! Mpanompon\u2019ny lal\u00e0n\u2019Andriamanitra \u00e0ry aho ato an-tsaiko ato, fa mpanompon\u2019ny lal\u00e0n\u2019ny ota kosa ny nofoko."
    },
    "8": {
        "1": "Tsy melohina \u00e0ry izay tafaray amin\u2019i Kristy Jesosy.",
        "2": "Efa nanafaka anao tamin\u2019ny lal\u00e0n\u2019ny ota sy fahafatesana mantsy ny lal\u00e0n\u2019ny fanahy. Io fanahy io no manome fiainana ho an\u2019izay tafaray amin\u2019i Kristy Jesosy.",
        "3": "Satria tsy lavorary ny olona, dia izany no nahatonga ny Lal\u00e0na halemy, ka nisy zavatra tsy vitany. Izay tsy vitany anefa no nataon\u2019Andriamanitra rehefa nirahiny ny Zanany ka nataony nitovy tamin\u2019ny nofo mpanota, mba hanafoanana ny ota. Izany no nataony mba hanamelohana ny ota ao amin\u2019ny nofo.",
        "4": "Dia ho afaka hanao an\u2019izay zavatra tsara takin\u2019ny Lal\u00e0na isika amin\u2019izay, ka tsy hanatanteraka ny fanirian\u2019ny nofo, fa hanaiky hotarihin\u2019ny fanahy.",
        "5": "Fa ny olona manatanteraka ny fanirian\u2019ny nofo dia mampifantoka ny sainy amin\u2019ny zavatry ny nofo, fa ny olona manaiky hotarihin\u2019ny fanahy kosa mampifantoka ny sainy amin\u2019ny zavatry ny fanahy.",
        "6": "Izay mampifantoka ny sainy amin\u2019ny nofo dia fahafatesana no hiafarany, fa izay mampifantoka ny sainy amin\u2019ny fanahy kosa hahazo fiainana sy fiadanana.",
        "7": "Fahavalon\u2019Andriamanitra mantsy izay mampifantoka ny sainy amin\u2019ny nofo. Fa sady tsy mankat\u00f2 ny lal\u00e0n\u2019Andriamanitra ny nofo, no tsy mahavita an\u2019izany koa.",
        "8": "Tsy mahavita mampifaly an\u2019Andriamanitra \u00e0ry ny olona manatanteraka ny fanirian\u2019ny nofo.",
        "9": "Tsy manatanteraka ny fanirian\u2019ny nofo anefa ianareo, fa manaiky hiasan\u2019ny fanahy, raha tena ao anatinareo ny fanahin\u2019Andriamanitra. Fa raha misy tsy manana ny fanahin\u2019i Kristy, dia tsy an\u2019i Kristy izy.",
        "10": "Raha tafaray amin\u2019i Kristy ianareo, na dia maty aza ny vatanareo satria mpanota, dia ny fanahy no hanome fiainana anareo satria olo-marina ianareo.",
        "11": "Raha ao anatinareo ny fanahin\u2019ilay nanangana an\u2019i Jesosy tamin\u2019ny maty, dia hamelona ny vatanareo mety maty koa ilay nanangana an\u2019i Kristy Jesosy tamin\u2019ny maty. Amin\u2019ny alalan\u2019ilay fanahiny ao anatinareo no hanaovany an\u2019izany.",
        "12": "Tsy tokony havelantsika hifehy antsika \u00e0ry ny fanirian\u2019ny nofo, ry\u00a0rahalahy, ary tsy tokony hotanterahintsika.",
        "13": "Tsy maintsy ho faty mantsy ianareo raha manatanteraka ny fanirian\u2019ny nofo. Fa ho velona kosa ianareo raha vonoinareo amin\u2019ny alalan\u2019ny fanahy masina ny fanao ratsin\u2019ny nofo.",
        "14": "Fa izay rehetra tarihin\u2019ny fanahin\u2019Andriamanitra no tena zanak\u2019Andriamanitra.",
        "15": "Ilay fanahin\u2019Andriamanitra miasa ao anatinareo dia tsy mahatonga anareo ho lasa andevo na hatahotra indray, fa mahatonga anareo hatsangana ho zanaka kosa. Noho io fanahy io \u00e0ry, dia afaka miantso mafy isika hoe: \u201cAba, Ray\u00a0\u00f4!\u201d",
        "16": "Ny fanahin\u2019Andriamanitra sy ny saintsika no miara-manaporofo fa zanak\u2019Andriamanitra isika.",
        "17": "Raha zanaka \u00e0ry isika, dia mpandova koa. Mpandova an\u2019Andriamanitra tokoa isika, nefa koa mpiara-mandova amin\u2019i Kristy. Raha miara-mijaly aminy isika, dia homem-boninahitra miaraka aminy koa.",
        "18": "Fa amiko dia tsy misy dikany ny fijaliana iaretantsika amin\u2019izao fotoana izao, raha oharina amin\u2019ilay voninahitra efa haharihary amin\u2019ny alalantsika.",
        "19": "Efa tena tsy andrin\u2019ny zavaboary mantsy izay hampiharihariana ny zanak\u2019Andriamanitra.",
        "20": "Fa navela hanana fiainana tsy misy dikany ny zavaboary, nefa tsy noho ny sitrapony fa noho ny sitrapon\u2019ilay namela an\u2019izany hitranga. Mbola nisy an\u2019izao fanantenana izao anefa:",
        "21": "Hafahana koa ny zavaboary ka tsy ho andevon\u2019ny fahal\u00f2vana intsony, fa hahazo an\u2019ilay fahafahana miavaka ananan\u2019ny zanak\u2019Andriamanitra.",
        "22": "Fantatsika mantsy fa mbola miara-mitaraina sy miara-mijaly foana ny zavaboary rehetra hatramin\u2019izao.",
        "23": "Tsy izany ihany, fa mitaraina ao anatintsika ao koa isika na dia manana an\u2019ilay voaloham-bokatra aza, dia ny fanahy. Miandry mafy koa isika mba hatsangan\u2019Andriamanitra ho zanany, izany hoe mba hafahany amin\u2019ny alalan\u2019ny vidim-panavotana ny vatantsika.",
        "24": "Rehefa novonjen\u2019Andriamanitra isika, dia lasa nanana an\u2019izany fanantenana izany. Ny fanantenana zavatra efa hita anefa dia tsy fanantenana, fa ahoana no mbola anantenan\u2019ny olona zavatra efa hitany?",
        "25": "Fa raha zavatra mbola tsy hitantsika no antenaintsika, dia miandry mafy an\u2019ilay izy foana isika sady miaritra.",
        "26": "Hoatr\u2019izany koa fa manampy antsika ny fanahy, rehefa malemy isika. Izao mantsy no olana: Mila mivavaka isika saingy tsy haintsika hoe inona no tokony hangatahina. Ny fanahy mihitsy anefa no miangavy ho antsika rehefa mitaraindraina ao am-pontsika ao isika.",
        "27": "Fa fantatr\u2019ilay mpandinika ny fo izay tian\u2019ny fanahy holazaina, satria mifanaraka amin\u2019ny sitrapon\u2019Andriamanitra ilay fiangaviany ho an\u2019ny olona masina.",
        "28": "Fantatsika fa ny zava-drehetra ataon\u2019Andriamanitra dia ataony miara-miasa mba hahasoa an\u2019izay tia azy, izany hoe izay nantsoiny mifanaraka amin\u2019ny fikasany.",
        "29": "Efa hatramin\u2019ny voalohany izy no nahafantatra an\u2019izay hofidiny. Dia notendreny mialoha hanahaka an\u2019ilay Zanany izy ireo, amin\u2019izay io Zanany io no lasa lahimatoa amin\u2019ny rahalahy maro.",
        "30": "Ankoatra izany, dia izay efa notendreny mialoha no nantsoiny, ary izay nantsoiny no nambarany hoe marina. Izay nambarany hoe marina kosa no nomeny voninahitra.",
        "31": "Inona \u00e0ry no holazaintsika amin\u2019izany? Raha manohana antsika Andriamanitra, dia iza no hahavita hanohitra antsika?",
        "32": "Ny Zanany aza tsy narovany fa nomeny mba hamonjena antsika rehetra. Dia tsy homeny antsika koa ve ny zavatra hafa rehetra ankoatra an\u2019io Zanany io, noho Izy tsara fanahy?",
        "33": "Iza no hiampanga an\u2019izay voafidin\u2019Andriamanitra? Fa Andriamanitra no manambara azy ireo hoe marina.",
        "34": "Iza \u00e0ry no hanameloka azy ireo? Tsy misy, satria i Kristy Jesosy ilay efa maty sady izy koa ilay efa natsangana tamin\u2019ny maty sy eo ankavanan\u2019Andriamanitra, ary ilay miangavy ho antsika.",
        "35": "Inona no hampisaraka antsika amin\u2019i Kristy ka hahatonga azy tsy ho tia antsika intsony? Fahoriana ve, sa zava-tsarotra, sa fanenjehana, sa hanoanana, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra?",
        "36": "Araka ny voasoratra hoe: \u201cHoatran\u2019ny hoe vonoina ho faty izahay isan\u2019andro noho ny aminao; toy ny ondry hovonoina no fiheverana anay.\u201d",
        "37": "Mivoaka ho mpandresy tanteraka anefa isika amin\u2019izany rehetra izany, satria manampy antsika ilay tia antsika.",
        "38": "Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na fanjakana, na zavatra amin\u2019izao fotoana izao, na zavatra ho avy, na hery,",
        "39": "na ny ambony, na ny ambany, na zavaboary hafa, dia tsy hisy hahavita hampisaraka antsika amin\u2019Andriamanitra ka hahatonga azy tsy ho tia antsika intsony. Asehony amin\u2019ny alalan\u2019i Kristy Jesosy Tompontsika izany fitiavany izany."
    },
    "9": {
        "1": "Milaza ny marina aho satria mpanara-dia an\u2019i Kristy. Tsy mandainga aho, ary tarihin\u2019ny fanahy masina ny feon\u2019ny fieritreretako ka vavolombelona manamarina",
        "2": "fa malahelo be aho sady mitebiteby foana ato am-poko ato.",
        "3": "Fa naleoko aza hoe izaho mihitsy no tafasaraka amin\u2019i Kristy ka ho voaozona, raha izany no hahasoa ny rahalahiko, izay havako araka ny nofo,",
        "4": "dia ny Israelita. Izy ireo no natsangana ho zanaka, nomena voninahitra, nanaovana ny fifanekena, ary nomena ny Lal\u00e0na sy ny fanompoana masina ary ny fampanantenana.",
        "5": "Izy ireo koa no taranak\u2019ireo razambe nipoiran\u2019i Kristy, raha araka ny nofo. Hoderaina mandrakizay anie Andriamanitra, izay ambonin\u2019ny rehetra! Amena.",
        "6": "Tsy hoe tsy tanteraka anefa ny tenin\u2019Andriamanitra. Fa tsy izay rehetra taranak\u2019Israely no tena \u201cIsraely.\u201d",
        "7": "Ary tsy hoe zanaka daholo izy ireo satria hoe taranak\u2019i Abrahama. Voasoratra anefa hoe: \u201cHo avy amin\u2019i Isaka ilay hantsoina hoe taranakao.\u201d",
        "8": "Izany hoe, tsy ny zanaka araka ny nofo no tena zanak\u2019Andriamanitra, fa ny zanaky ny fampanantenana no ekena hoe taranaka.",
        "9": "Izao mantsy ilay fampanantenana: \u201cHiverina at\u1ef3 aminao aho, amin\u2019ny herintaona hoatr\u2019izao, ka hanan-janakalahy i Saraha.\u201d",
        "10": "Tsy tamin\u2019izay ihany anefa Andriamanitra no nampanantena, fa nanao an\u2019izany koa izy tamin\u2019i Rebeka niteraka kambana tamin\u2019ny lehilahy iray, izay tsy iza fa i Isaka razambentsika.",
        "11": "Fa tamin\u2019ny mbola tsy teraka ireo kambana ireo ary mbola tsy nanao izay tsara na ratsy, dia efa nilaza mialoha Andriamanitra hoe iza no hofidiny. Izay tiany mantsy no fidiny, fa tsy hoe miankina amin\u2019izay ataon\u2019ny olona.",
        "12": "Dia nolazaina tamin\u2019i Rebeka tamin\u2019izay, hoe: \u201cNy zokiny hanompo ny zandriny\u201d,",
        "13": "araka ny voasoratra hoe: \u201cI Jakoba no tiako, fa i Esao kosa halako.\u201d",
        "14": "Inona \u00e0ry no holazaintsika? Manao ny tsy rariny ve Andriamanitra? Sanatria izany!",
        "15": "Hoy mantsy izy tamin\u2019i Mosesy: \u201cHamindra fo amin\u2019izay tiako hamindrana fo aho, ary hangoraka an\u2019izay tiako hangorahana.\u201d",
        "16": "Tsy miankina amin\u2019izay irin\u2019ny olona sy ny ezaka ataony \u00e0ry izany, fa miankina amin\u2019Andriamanitra, izay mamindra\u00a0fo.",
        "17": "Fa hoy ny Soratra Masina momba an\u2019i Farao: \u201cIzao no tena antony namelako anao ho velona: Mba hampisehoana aminao ny heriko sy mba hanambarana ny anarako eran-tany.\u201d",
        "18": "Izay tiany hamindrana\u00a0fo \u00e0ry no amindrany\u00a0fo, fa avelany ho mafy loha kosa izay tiany ho mafy loha.",
        "19": "Hiteny amiko \u00e0ry ianao hoe: \u201cDia maninona izy no mbola manome tsiny ihany? Fa iza no mahavita manohitra ny sitrapony?\u201d",
        "20": "Fa ianao moa no iza no hamalivaly an\u2019Andriamanitra? Ny zavatra novolavolaina ve no hiteny amin\u2019ilay namolavola azy hoe: \u201cFa maninona aho no nataonao hoatr\u2019izao?\u201d",
        "21": "Angaha ny mpanefy tanimanga tsy manana fahefana amin\u2019ny tanimanga, ka vongan-tanimanga iray ihany no anaovany kaopy fampiasa rehefa misy fanasana sy kaopy fampiasa andavanandro?",
        "22": "Dia ahoana \u00e0ry raha te hanampatra ny hatezerany sy hampahafantatra ny heriny Andriamanitra, nefa nandefitra sady nanam-paharetana be tamin\u2019ny kaopin\u2019ny fahatezerana izay mendrika haringana?",
        "23": "Ahoana raha nanao an\u2019izany izy satria te hampahafantatra ny voninahiny lehibe amin\u2019ny kaopin\u2019ny famindram-po, izay nomaniny mialoha mba homena voninahitra,",
        "24": "izany hoe isika izay nantsoiny, tsy avy tamin\u2019ny Jiosy ihany, fa avy tamin\u2019ny firenen-kafa koa?",
        "25": "Izany koa no nolazainy ao amin\u2019ny bokin\u2019i Hosea hoe: \u201cIzay tsy vahoakako no hantsoiko hoe \u2018vahoakako\u2019, ary ilay tsy tiana no hantsoiko hoe \u2018malala.\u2019",
        "26": "Ary any amin\u2019ilay toerana nilazako tamin\u2019izy ireo hoe: \u2018Tsy vahoakako ianareo\u2019, no hilazako aminy hoe: \u2018Zanak\u2019ilay Andriamanitra velona ianareo.\u2019\u201d",
        "27": "Tsy izay ihany fa niantsoantso hoatr\u2019izao momba ny Israely i Isaia: \u201cNa betsaka hoatran\u2019ny fasika any an-dranomasina aza ny zanak\u2019Israely, dia ny sisa amin\u2019izy ireo ihany no hovonjena.",
        "28": "Fa hanao ampamoaka an\u2019izay velona eto an-tany i Jehovah, ka hamita tanteraka an\u2019izany haingana.\u201d",
        "29": "Izao koa no nolazain\u2019i Isaia mialoha: \u201cRaha tsy i Jehovah Tompon\u2019ny tafika no namela taranaka ho antsika, dia ho efa lasa hoatran\u2019i Sodoma isika, ary ho efa lasa hoatran\u2019i Gomora.\u201d",
        "30": "Inona \u00e0ry no holazaintsika? Na dia tsy niezaka ny ho lasa olo-marina aza ny hafa firenena, dia lasa olo-marina ihany, izany hoe lasa olo-marina noho ny finoana.",
        "31": "Ny Israely kosa, na dia niezaka nanaraka ny lal\u00e0n\u2019ny fahamarinana aza, dia tsy nahavita nankat\u00f2 an\u2019izany lal\u00e0na izany.",
        "32": "Fa nahoana? Satria rehefa niezaka ny ho lasa olo-marina izy ireo, dia nihevitra hoe ny zavatra ataony no mahatonga azy ho olo-marina, fa tsy ny finoana. Tafintohina izy ireo noho ilay \u201cvato mahatafintohina\u201d,",
        "33": "araka ny voasoratra hoe: \u201cMametraka vato mahatafintohina sy vatolampy mampianjera ao Ziona aho, nefa tsy ho diso fanantenana izay mino azy io.\u201d"
    },
    "10": {
        "1": "Ry rahalahy, ny tena irin\u2019ny foko sady italahoako amin\u2019Andriamanitra dia ny mba hahavoavonjy azy ireo.",
        "2": "Fa mijoro ho vavolombelona aho hoe mafana\u00a0fo ho an\u2019Andriamanitra izy ireo, saingy tsy tena mahalala azy tsara.",
        "3": "Tsy nahalala an\u2019izay marina eo imason\u2019Andriamanitra izy, fa nanao ny tenany ho olo-marina, araka izay heveriny fa mety fotsiny. Tsy nanaiky an\u2019izay marina eo imason\u2019Andriamanitra \u00e0ry izy.",
        "4": "Fa i Kristy no faran\u2019ny Lal\u00e0na, mba hambara hoe olo-marina izay rehetra maneho finoana.",
        "5": "Izao mantsy no nosoratan\u2019i Mosesy momba ny atao hoe olo-marina raha araka ny Lal\u00e0na: \u201cIzay olona mankat\u00f2 an\u2019ireny no ho velona amin\u2019ny alalan\u2019ireny.\u201d",
        "6": "Izao kosa no voalaza momba ny olo-marina noho ny finoana: \u201cAza miteny anakampo hoe: \u2018Iza no hiakatra any an-danitra?\u2019, izany hoe mba hampidina an\u2019i Kristy,",
        "7": "na hoe: \u2018Iza no hidina any amin\u2019ny lavaka mangitsokitsoka?\u2019, izany hoe mba hampiakatra an\u2019i Kristy avy any amin\u2019ny maty.\u201d",
        "8": "Inona anefa no lazain\u2019ny Soratra Masina? \u201cEo akaikinao, izany hoe eo am-bavanao sy ao am-ponao ny teny\u201d, dia ny \u201ctenin\u2019ny\u201d finoana izay torinay.",
        "9": "Fa raha milaza eo imason\u2019olona ianao hoe i Jesosy no Tompo, ary mino ao am-ponao fa Andriamanitra efa nanangana azy tamin\u2019ny maty, dia hovonjena ianao.",
        "10": "Izay maneho finoana vokatry ny fo mantsy no ho lasa olo-marina, ary izay miresaka amin\u2019ny olona ny zavatra inoany no ho voavonjy.",
        "11": "Hoy mantsy ny Soratra Masina: \u201cTsy hisy ho diso fanantenana izay mino azy.\u201d",
        "12": "Fa tsy misy maha samy hafa ny Jiosy sy ny Grika. Iray ihany ilay Tompo ambonin\u2019izy rehetra, sady manome be dia be ho an\u2019izay rehetra miantso azy.",
        "13": "Fa \u201cizay rehetra miantso ny anaran\u2019i Jehovah no hovonjena.\u201d",
        "14": "Hataon\u2019izy ireo ahoana anefa ny hiantso ny anarany raha izy aza tsy inoany? Ary hataony ahoana ny hino an\u2019izay olona mbola tsy henony? Ary hataony ahoana ny haheno, raha tsy misy mitory aminy?",
        "15": "Ary hataony ahoana ny hitory raha tsy nirahina? Araka ny voasoratra hoe: \u201cTsara tarehy er\u1ef3 ny tongotr\u2019izay mitory ny vaovao tsara!\u201d",
        "16": "Na izany aza, dia tsy izy rehetra no nanaiky ny vaovao tsara. Hoy mantsy i Isaia: \u201cJehovah \u00f4, iza no mba nino ny zavatra henony taminay?\u201d",
        "17": "Ny finoana \u00e0ry dia avy amin\u2019ny zavatra re, ary izay re kosa dia avy amin\u2019ny teny momba an\u2019i Kristy.",
        "18": "Hoy anefa aho: Sao dia tsy naheno izy ireo? Raha ny marina, dia \u201cefa nivoaka eran-tany ny tenin\u2019izy ireo, ary tonga hatrany amin\u2019ny faran\u2019ny tany misy mponina ny hafatra nentiny.\u201d",
        "19": "Hoy anefa aho: Sao dia tsy nahafantatra ny Israely? Voalohany, dia hoy i Mosesy: \u201cHataoko izay hahatonga anareo hialona an\u2019izay tsy firenena akory, ary hataoko izay hampahatezitra be anareo amin\u2019ny firenena adaladala.\u201d",
        "20": "Ary tena sahy i Isaia nilaza hoe: \u201cHitan\u2019izay tsy nitady ahy aho, ary lasa fantatr\u2019izay tsy niantso ahy.\u201d",
        "21": "Hoy kosa izy momba ny Israely: \u201cTontolo andro no namelarako ny tanako tamin\u2019ny vahoaka tsy mankat\u00f2 sady mafy loha.\u201d"
    },
    "11": {
        "1": "Hoy \u00e0ry aho: Nialan\u2019Andriamanitra angaha ny vahoakany? Sanatria izany! Fa izaho koa mba Israelita, taranak\u2019i Abrahama, ary avy amin\u2019ny fokon\u2019i Benjamina.",
        "2": "Tsy hoe nialan\u2019Andriamanitra ny vahoakany, izay nofidiny voalohany. Angaha tsy fantatrareo izay nolazain\u2019ny Soratra Masina momba an\u2019i Elia, tamin\u2019izy nitaraina tamin\u2019Andriamanitra momba ny Israelita?",
        "3": "Hoy izy: \u201cJehovah \u00f4, novonoin\u2019izy ireo ho faty ny mpaminaninao, narodany ny alitaranao, dia izaho irery sisa, nefa mbola mitady hamono ahy koa ry\u00a0zareo izao.\u201d",
        "4": "Inona anefa no nolazain\u2019Andriamanitra taminy? \u201cMisy olona 7 000 tsy nandohalika tamin\u2019i Bala navelako ho ahy.\u201d",
        "5": "Hoatr\u2019izany koa fa mbola misy sisa tavela ihany amin\u2019izao, ary voafidy izy ireo noho ny hatsaram-panahy miavaka.",
        "6": "Midika \u00e0ry izany hoe noho ny hatsaram-panahiny miavaka no nifidianany azy ireo, fa tsy noho izay nataon\u2019izy ireo. Raha tsy izany, dia tsy ho hatsaram-panahy miavaka intsony ilay hatsaram-panahy.",
        "7": "Ahoana \u00e0ry? Tsy azon\u2019ny Israely izay tena notadiaviny mafy, fa ireo voafidy no nahazo an\u2019izany. Ny hafa kosa lasa tsy rototra,",
        "8": "araka ny voasoratra hoe: \u201cEfa nataon\u2019Andriamanitra renoky ny torimaso lalina izy ireo hatramin\u2019izao, ary nomeny maso tsy mahita sy sofina tsy maheno.\u201d",
        "9": "Hoy koa i Davida: \u201cAoka ho lasa fandrika sy vela-pandrika sy vato mahatafintohina ary famaizana ho azy ireo ny latabany.",
        "10": "Aoka ho jamba ny masony ka tsy hahita, ary ataovy mivokoka foana izy.\u201d",
        "11": "Hoy \u00e0ry aho: Sao tafintohina izy ireo ka tsy ho tafarina intsony? Sanatria izany! Ny fahadisoana nataon\u2019izy ireo anefa no nahatonga ny hafa firenena hovonjena, dia lasa nialona izy ireo.",
        "12": "Raha midika ho fitahiana ho an\u2019izao tontolo izao \u00e0ry ny fahadisoan\u2019izy ireo, ary fitahiana ho an\u2019ny hafa firenena ilay hoe nihena ny isan\u2019izy ireo, tsy vao mainka ve hisy fitahiana bebe kokoa rehefa feno ny isan\u2019izy ireo?",
        "13": "Ianareo hafa firenena indray izao no iresahako. Koa satria apostoly ho an\u2019ny hafa firenena aho, dia omeko voninahitra ny fanompoako,",
        "14": "sao mba hampialona ny fireneko izany, ka ho afaka hamonjy ny sasany aminy aho.",
        "15": "Narian\u2019Andriamanitra izy ireo, ka lasa afaka mihavana amin\u2019Andriamanitra izao tontolo izao. Raha raisin\u2019Andriamanitra indray \u00e0ry izy ireo, tsy midika ve izany hoe efa maty izy ireo fa velona indray?",
        "16": "Izao koa: Raha masina ny ampahany amin\u2019ny koba atao voaloham-bokatra, dia masina koa ilay koba manontolo. Ary raha masina ny fakan\u2019ny hazo, dia masina koa ny sampany.",
        "17": "Izao anefa: Notapahina ny sampany sasany, ary ianao indray no natao grefy teo amin\u2019 ny sampany sisa tavela, na dia olivadia aza ianao, ka mba nahazo tamin\u2019ny ranon\u2019ny fakan\u2019ilay oliva koa. Raha izany \u00e0ry,",
        "18": "dia aza mirehareha amin\u2019ireo sampany efa tapaka. Raha mirehareha aminy ianao, dia tadidio fa tsy ianao no mitondra ny fakany, fa ny fakany no mitondra anao.",
        "19": "Hilaza \u00e0ry ianao hoe: \u201cNisy sampany notapahina dia amin\u2019izay aho azo natao grefy teo.\u201d",
        "20": "Marina izany! Noho izy ireo tsy nino no nanapahana azy, fa noho ianao mino kosa no ahafahanao mijoro. Aza manambony tena \u00e0ry fa mitandrema.",
        "21": "Fa raha ny tena sampany aza tsy navelan\u2019Andriamanitra hijanona teo, dia tsy havelany hijanona eo koa ianao.",
        "22": "Jereo \u00e0ry fa sady tsara fanahy Andriamanitra no hentitra. Hentitra izy amin\u2019ny sampany tapaka, fa tsara fanahy aminao kosa, raha mbola miezaka ny ho mendrika ny hanehoany hatsaram-panahy ianao. Raha tsy izany, dia hokapaina koa ianao.",
        "23": "Ary hatao grefy koa izy ireo raha lasa mino, satria hain\u2019Andriamanitra ny manao grefy azy indray.",
        "24": "Notapahina tamin\u2019ny olivadia ianao ka natao grefy tamin\u2019ilay oliva nambolena, na dia tsy izany aza no fanao. Koa raha ianao aza natao hoatr\u2019izany, mainka fa ireo tena sampany ireo! Azony atao grefy amin\u2019ilay oliva nisy azy indray izy ireo.",
        "25": "Fa tiako ho fantatrareo izao zava-miafina masina izao, ry\u00a0rahalahy, mba tsy hihevi-tena ho hendry ianareo: Tsy rototra ny Israelita sasany, raha tsy efa feno ny isan\u2019ny hafa firenena nampidirina,",
        "26": "ary izany no fomba hamonjena ny Israely rehetra, araka ny voasoratra hoe: \u201cHivoaka avy ao Ziona ny mpanafaka ka hampiala an\u2019i Jakoba amin\u2019ny zava-dratsy fanaony.",
        "27": "Ary hanao fifanekena amin\u2019izy ireo aho, rehefa avelako ny fahotany.\u201d",
        "28": "Marina fa fahavalon\u2019Andriamanitra izy ireo satria tsy nanaiky ny vaovao tsara, ka nandray soa tamin\u2019izany ianareo. Nisy nofidiny ho namany anefa izy ireo, noho ilay fampanantenana nataony tamin\u2019ny razamben\u2019izy ireo.",
        "29": "Tsy hanenenan\u2019Andriamanitra mantsy ny fanomezana sy ny fiantsoana nataony.",
        "30": "Fa tsy nankat\u00f2 an\u2019Andriamanitra ianareo taloha, nefa namindrana\u00a0fo ankehitriny noho izy ireo tsy nankat\u00f2.",
        "31": "Dia hoatr\u2019izany koa fa tsy nankat\u00f2 izy ireo izao, ka amindrana\u00a0fo ianareo, mba hamindrana\u00a0fo koa izy ireo.",
        "32": "Fa nataon\u2019Andriamanitra hoatran\u2019ny gadra daholo izy rehetra satria tsy nankat\u00f2, amin\u2019izay izy hamindra\u00a0fo amin\u2019izy rehetra.",
        "33": "Tsy misy fetrany ny harenan\u2019Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! Tena tsy takatry ny saina ny didim-pitsarany ary tsy hay fantarina ny zavatra ataony!",
        "34": "Fa \u201ciza no lasa nahafantatra ny ao an-tsain\u2019i Jehovah, ary iza no lasa mpanoro hevitra azy?\u201d",
        "35": "Na, \u201ciza no nanome azy aloha, ka tsy maintsy valiany koa avy eo?\u201d",
        "36": "Fa avy aminy ny zava-drehetra, ary izy no nampisy an\u2019ireny sady ho azy daholo ireny. Ho azy anie ny voninahitra mandrakizay! Amena."
    },
    "12": {
        "1": "Noho izany, ry rahalahy, dia miangavy anareo aho, noho ny fangoraham-pon\u2019Andriamanitra, mba hatolotrareo ho sorona velona sy masina ary ankasitrahan\u2019Andriamanitra ny tenanareo. Manao fanompoana masina ianareo amin\u2019izany sady mampiasa tsara ny sainareo.",
        "2": "Ary aza manaiky hovolavolain\u2019izao tontolo izao intsony. Fa miov\u00e0 kosa ka havaozy ny sainareo mba hamantaranareo tsara ny sitrapon\u2019Andriamanitra, izay tsara sy tena mety ary tonga lafatra.",
        "3": "Fa noho ny hatsaram-panahy miavaka naseho tamiko, dia izao no lazaiko aminareo tsirairay avy: Aza mihevi-tena mihoatra noho izay tokony ho izy. Asehoy kosa fa misaina tsara ianareo, araka ny finoana nomen\u2019Andriamanitra anareo tsirairay.",
        "4": "Fa misy rantsambatana maro ny vatantsika, nefa tsy mitovy ny asan\u2019izy rehetra.",
        "5": "Hoatr\u2019izany koa fa vatana iray tafaray amin\u2019i Kristy isika na be dia be aza, ary rantsambatana mifampiankina isika tsirairay.",
        "6": "Manana fahaizana samihafa isika, arakaraka ny hatsaram-panahy miavaka naseho tamintsika. Raha fahaizana maminany ilay izy, dia tokony haminany arakaraka ny finoana ananantsika isika.",
        "7": "Raha fanompoana kosa no nomena antsika, dia tokony hanompo foana isika. Ary izay mampianatra, dia tokony hampianatra foana.",
        "8": "Izay mampahery, dia tokony hampahery. Izay mizara, dia tokony halala-tanana. Izay mitarika, dia tokony hazoto hanao an\u2019izany. Ary izay mamindra\u00a0fo, dia tokony hanao an\u2019izany amim-pifaliana.",
        "9": "Aza asiana fihatsarambelatsihy ny fitiavanareo. Ankahalao ny ratsy, ary mifikira amin\u2019ny tsara.",
        "10": "Mifankatiava hoatran\u2019ny mpirahalahy, ary ataovy izay hampiraiki-po anareo samy ianareo. Mifanomeza voninahitra, ka aoka ianareo no ho voalohany hanome voninahitra ny hafa.",
        "11": "Mazotoa miasa fa aza kamokamo. Aoka ianareo harehitry ny fanahy. Manompoa an\u2019i Jehovah.",
        "12": "Mifalia amin\u2019ny fanantenana. Miareta fahoriana. Mahareta amin\u2019ny vavaka.",
        "13": "Mba anomezo amin\u2019izay anananareo ny olona masina, araka izay ilainy. Miezaha ho tia mandray vahiny.",
        "14": "Miezaha foana hirary soa an\u2019izay manenjika anareo. Miezaha hirary soa fa aza manozona.",
        "15": "Miaraha mifaly amin\u2019izay mifaly, ary miaraha mitomany amin\u2019izay mitomany.",
        "16": "Ataovy hoatran\u2019ny tenanareo ihany ny olon-kafa. Aza manambony tena, fa miezaha hanetry tena. Aza mihevi-tena ho hendry.",
        "17": "Aza mamaly ratsy ny ratsy, na amin\u2019iza na amin\u2019iza. Mba eritrereto hoe inona no zavatra heverin\u2019ny olona rehetra hoe tsara.",
        "18": "Raha azo atao, ka mbola miankina aminareo koa, dia mihav\u00e0na amin\u2019ny olona rehetra.",
        "19": "Aza mamaly faty, ry\u00a0malala, fa avelao Andriamanitra no hampiseho ny hatezerany. Fa voasoratra hoe: \u201c\u2018Ahy ny famaliana, ary izaho no hamaly\u2019, hoy i Jehovah.\u201d",
        "20": "Fa \u201craha noana ny fahavalonao, dia omeo sakafo, ary raha mangetaheta izy, dia omeo zavatra hosotroiny. Fa hampivangongo vainafo eo ambony lohany ianao raha manao an\u2019izany.\u201d",
        "21": "Aza manaiky ho resin\u2019ny ratsy, fa reseo amin\u2019ny tsara foana ny ratsy."
    },
    "13": {
        "1": "Aoka ny olona rehetra rehetra samy hanaiky ny manam-pahefana, fa avy amin\u2019Andriamanitra daholo ny fahefana rehetra. Andriamanitra mantsy no namela ny manam-pahefana ho eo amin\u2019ny toerany avy.",
        "2": "Izay manohitra ny fahefana \u00e0ry dia manohitra ny lamina napetrak\u2019Andriamanitra. Ary izay manohitra an\u2019izany lamina izany dia homelohina, ka ny nataony ihany no mahatonga azy homelohina.",
        "3": "Fa tsy atahoran\u2019izay manao ny tsara ny mpitondra, fa atahoran\u2019izay manao ratsy. Tianao ve raha hoe tsy matahotra ny manam-pahefana ianao? Izay tsara foana \u00e0ry atao dia hoderainy ianao.",
        "4": "Fa mpanompon\u2019Andriamanitra izy ary mitondra soa ho anao. Raha manao ratsy anefa ianao dia matahora, fa misy antony matoa izy mitondra sabatra. Mpanompon\u2019Andriamanitra mantsy izy, ary nomena fahefana hanasazy an\u2019izay manao ratsy.",
        "5": "Tena misy antony tsy maintsy anekenareo fahefana \u00e0ry, tsy hoe noho izany sazy izany ihany, fa noho ny feon\u2019ny fieritreretanareo koa.",
        "6": "Izany koa no antony andoavanareo hetra. Fa mpanompon\u2019Andriamanitra miasa ho an\u2019ny vahoaka izy ireo, ary izany foana no asany.",
        "7": "Aloavy amin\u2019izy rehetra \u00e0ry izay tokony haloa aminy: Ny hetra ho an\u2019izay mitaky hetra, ny haba ho an\u2019izay mitaky haba, ny tahotra ho an\u2019izay tokony hatahorana, ary ny haja ho an\u2019izay tokony hohajaina.",
        "8": "Aza avela hisy trosan\u2019olona mihitsy any aminareo, afa-tsy ny fifankatiavanareo ihany. Izay tia ny namany mantsy dia manatanteraka ny lal\u00e0na.",
        "9": "Fa ny lal\u00e0na hoe: \u201cAza manitsakitsa-bady, aza mamono olona, aza mangalatra, ary aza mitsiriritra\u201d sy ny didy hafa rehetra, dia efa voafintina amin\u2019ilay didy hoe: \u201cTiavo ny namanao tahaka ny tenanao.\u201d",
        "10": "Tsy mba manisy ratsy ny namany izay manam-pitiavana. Izay tia olona \u00e0ry no manatanteraka ny lal\u00e0na.",
        "11": "Ataovy izany nolazaiko taminareo izany, satria fantatrareo izao fotoana misy antsika izao. Efa izao mantsy ny ora tokony hifohazanareo amin\u2019ny torimaso. Efa akaiky noho ny tamin\u2019isika lasa mpino ny famonjena antsika amin\u2019izao.",
        "12": "Efa ho lasa ny alina, ka efa ho maraina ny andro. Andao \u00e0ry isika hiala amin\u2019ny zava-dratsy fanaon\u2019olona ao amin\u2019ny maizina, ka hampiasa ny fitaovam-piadian\u2019ny mazava.",
        "13": "Aoka isika hitondra tena tsara hoatran\u2019ny amin\u2019ny andro mazava, ka tsy hanao fety tsy voafehy, tsy ho mamo, tsy hijangajanga, tsy hitondra tena hoatran\u2019ny olona tsy misy henatra, tsy hifamaly amin\u2019olona, ary tsy hialona.",
        "14": "Tafio kosa ny toetran\u2019i Jesosy Kristy Tompo, ary aza manao tetika hanomezana fahafaham-po ny fanirian\u2019ny nofo."
    },
    "14": {
        "1": "Raiso tsara izay malemy finoana, ary aza tsaratsaraina izy raha tsy mitovy hevitra aminao.",
        "2": "Ny anankiray manana finoana matanjaka dia mihinana ny zava-drehetra, fa ilay malemy kosa tsy mihinana afa-tsy legioma.",
        "3": "Tsy tokony hanambanimbany an\u2019izay tsy mihinana ny olona mihinana, ary tsy tokony hitsaratsara an\u2019izay mihinana ny olona tsy mihinana. Efa noraisin\u2019Andriamanitra tsara mantsy izy.",
        "4": "Fa iza moa ianao no hitsaratsara ny mpiasan\u2019olon-kafa? Ny mpampiasa azy ihany no afaka mitsara raha mety na tsy mety ny ataony. Hahazo sitraka amin\u2019i Jehovah izy, satria ampiany.",
        "5": "Ny iray mihevitra hoe miavaka amin\u2019ny andro hafa ny andro anankiray, fa ny iray kosa mihevitra hoe mitovy daholo ny andro rehetra. Aleo ny tsirairay samy ho resy lahatra amin\u2019izay fanapahan-keviny.",
        "6": "Izay mitandrina andro anankiray dia mitandrina an\u2019izany ho voninahitr\u2019i Jehovah. Ary izay mihinana dia mihinana ho voninahitr\u2019i Jehovah, satria misaotra an\u2019Andriamanitra izy. Ary izay tsy mihinana dia ho voninahitr\u2019i Jehovah koa no tsy hihinanany, nefa misaotra an\u2019Andriamanitra ihany izy.",
        "7": "Tsy misy amintsika hoe velona ho an\u2019ny tenany fotsiny, ary tsy misy hoe maty ho an\u2019ny tenany fotsiny koa.",
        "8": "Fa raha velona isika, dia velona ho an\u2019i Jehovah, ary raha maty isika, dia maty ho an\u2019i Jehovah. Koa na velona isika na maty, dia an\u2019i Jehovah.",
        "9": "Fa maty i Kristy dia avy eo velona indray mba ho Tompon\u2019ny maty sy ny velona.",
        "10": "Fa maninona ianao no mitsaratsara ny rahalahinao? Ary maninona koa ianao no manambanimbany ny rahalahinao? Mbola samy hotsaraina eo anatrehan\u2019Andriamanitra mantsy isika rehetra.",
        "11": "Fa voasoratra hoe: \u201c\u2018Raha mbola velona koa aho\u2019, hoy i Jehovah, \u2018dia tsy maintsy handohalika eo anatrehako ny olona rehetra, ary hanaiky ahy ho Andriamanitra eo imason\u2019ny olona.\u2019\u201d",
        "12": "Koa samy hataon\u2019Andriamanitra ampamoaka isika tsirairay.",
        "13": "Tsy tokony hifampitsaratsara intsony \u00e0ry isika, fa tokony ho tapa-kevitra hoe tsy hametraka vato mahatafintohina na zavatra hafa manakantsakana eo alohan\u2019ny rahalahy.",
        "14": "Noho izaho mpanara-dia an\u2019i Jesosy Tompo, dia mahafantatra sady resy lahatra hoe tsy misy zavatra lasa maloto ho azy amin\u2019izao izany. Rehefa heverin\u2019ny olona hoe maloto ihany ny zavatra iray, vao maloto aminy ilay izy.",
        "15": "Fa raha ny sakafo haninao no mampahatezitra ny rahalahinao, dia tsy misy fitiavana intsony ny zavatra ataonao. Aza ny sakafo haninao no animbanao ny finoany, fa efa maty hamonjy azy i Kristy.",
        "16": "Aza avela hisy hanaratsy ny tsara ataonareo \u00e0ry.",
        "17": "Fa ny Fanjakan\u2019Andriamanitra dia tsy midika hoe fihinanana na fisotroana, fa midika kosa hoe fahamarinana sy fihavanana ary fifaliana amin\u2019ny alalan\u2019ny fanahy masina.",
        "18": "Fa izay manompo an\u2019i Kristy sady manana an\u2019ireo toetra ireo no ankasitrahan\u2019Andriamanitra sady ankasitrahan\u2019ny olona.",
        "19": "Andao \u00e0ry isika hiezaka hampisy fihavanana sy hifampahery.",
        "20": "Aza ravana amin\u2019izay sakafo intsony ny asan\u2019Andriamanitra. Marina fa madio ny zava-drehetra, nefa tsy mety ny ataon\u2019ny olona iray raha mihinana izy nefa manafintohina ny hafa izany.",
        "21": "Aleo tsy mihinan-kena na misotro divay na manao zavatra hafa mety hanafintohina ny rahalahinao.",
        "22": "Izay zavatra inoanao, dia aleo ho anao sy Andriamanitra ihany. Sambatra izay olona tsy manamelo-tena amin\u2019izay ataony.",
        "23": "Fa raha misalasala izy nefa mihinana, dia efa voaheloka sahady, satria tsy amin\u2019ny finoana no anaovany an\u2019izany. Fahotana mantsy izay zavatra rehetra tsy atao amin\u2019ny finoana."
    },
    "15": {
        "1": "Isika matanjaka anefa dia tokony hizaka ny fahalemen\u2019izay tsy matanjaka, fa tsy hampifaly ny tenantsika.",
        "2": "Tokony samy hampifaly ny namany isika mba hahasoa azy sy hampahery azy.",
        "3": "Na i Kristy aza mantsy tsy nampifaly ny tenany, fa voasoratra hoe: \u201cMihatra amiko ny latsa ataon\u2019ireo mandatsa anao.\u201d",
        "4": "Fa izay rehetra voasoratra taloha dia nosoratana mba hampianarana antsika. Amin\u2019izay isika dia hanana fanantenana, satria manampy antsika hiaritra sady manome fampiononana antsika ny Soratra Masina.",
        "5": "Hanome anareo toe-tsaina mitovy amin\u2019ny an\u2019i Kristy Jesosy anie ilay Andriamanitra manampy anareo hiaritra sy mampionona anareo!",
        "6": "Hiray saina ianareo amin\u2019izay, ka hiray feo hanome voninahitra an\u2019ilay Andriamanitra Rain\u2019i Jesosy Kristy Tompontsika.",
        "7": "Nandray tsara anareo i Kristy, dia mba raiso tsara koa ny hafa. Rehefa manao an\u2019izany ianareo samy ianareo, dia hahazo voninahitra Andriamanitra.",
        "8": "Ary lazaiko aminareo fa lasa mpanompon\u2019izay voafora i Kristy mba hampisehoana hoe milaza ny marina Andriamanitra, ary mba hanaporofoana hoe azo atokisana ilay fampanantenana nataony tamin\u2019ny razamben\u2019izy ireo.",
        "9": "Amin\u2019izay koa hanome voninahitra an\u2019Andriamanitra ny hafa firenena noho izy mamindra\u00a0fo. Fa voasoratra hoe: \u201cIzany no mahatonga ahy hanaiky anao eo imason\u2019ny olona sy eo amin\u2019ireo firenena, sady hanao hira fiderana ho an\u2019ny anaranao.\u201d",
        "10": "Hoy indray Izy: \u201cMifalia miaraka amin\u2019ny vahoakan\u2019Andriamanitra ianareo hafa firenena!\u201d",
        "11": "Dia izao koa: \u201cDerao i Jehovah, ry\u00a0firenena rehetra, ary hidera azy anie ny vahoaka rehetra!\u201d",
        "12": "Hoy koa i Isaia: \u201cHisy fakan\u2019i Jese hitsangana ka hitondra firenena, ary izy no hantenain\u2019ireny firenena ireny.\u201d",
        "13": "Ilay Andriamanitra manome fanantenana anie hameno fifaliana sy fiadanana ny fonareo, satria matoky azy ianareo! Amin\u2019izay dia vao mainka ho azo antoka ny fanantenanareo noho ny herin\u2019ny fanahy masina.",
        "14": "Matoky tanteraka aho izao, ry\u00a0rahalahiko, hoe vonona hanao zavatra tsara ianareo sady mahafantatra zavatra be dia be. Matoky tanteraka koa aho fa afaka mifananatra ianareo.",
        "15": "Manoratra aminareo mivantana kokoa momba ny zavatra sasany anefa aho, mba hampahatsiahivana anareo indray. Naneho hatsaram-panahy miavaka tamiko mantsy Andriamanitra,",
        "16": "ka nifidy ahy ho mpanompon\u2019i Kristy Jesosy mba hitory ny vaovao tsaran\u2019Andriamanitra amin\u2019ny hafa firenena. Manao an\u2019izany asa masina izany aho, mba ho lasa fanatitra ankasitrahana ny hafa firenena, sady hohamasinina amin\u2019ny alalan\u2019ny fanahy masina.",
        "17": "Faly \u00e0ry aho satria mpianatr\u2019i Kristy Jesosy sady manao ny asan\u2019Andriamanitra.",
        "18": "Tsy hiresaka zavatra hafa aho, afa-tsy izay nataon\u2019i Kristy tamin\u2019ny alalako, mba hahatonga ny hafa firenena hankat\u00f2 azy noho izay nolazaiko sy nataoko,",
        "19": "sy noho ny herin\u2019ny famantarana sy ny zava-mahagaga ary ny herin\u2019ny fanahin\u2019Andriamanitra. Vitako tsara \u00e0ry ny nitory ny vaovao tsara momba an\u2019i Kristy, nanomboka tany Jerosalema sy ny manodidina ka hatrany Ilyrikiona.",
        "20": "Tamin\u2019izany dia niezaka mafy aho mba tsy hitory ny vaovao tsara any amin\u2019izay efa nampahafantarana ny anaran\u2019i Kristy. Amin\u2019izay aho tsy hanorina eo ambonin\u2019ny fototra nataon\u2019olon-kafa.",
        "21": "Fa voasoratra hoe: \u201cIzay mbola tsy nitantarana momba azy no hahita azy, ary izay mbola tsy naheno no hahafantatra.\u201d",
        "22": "Izany koa no nahatonga ahy ho voasakana imbetsaka, ka tsy tonga tany aminareo.",
        "23": "Tsy manana faritany tsy voatory intsony anefa aho izao any amin\u2019ireo faritra ireo. Efa nandritra ny taona maromaro koa aho no te ho any aminareo mafy.",
        "24": "Rehefa ho any Espaina \u00e0ry aho, dia manantena ny hahita anareo sy haterinareo lavidavitra, rehefa mba avy miaraka kely aminareo.",
        "25": "Efa ho any Jerosalema anefa aho izao mba hanompo ny olona masina.",
        "26": "Fa nahafinaritra an\u2019ireo rahalahy any Makedonia sy at\u1ef3 Akaia ny nanome ny fananany, mba hanampiana an\u2019izay mahantra amin\u2019ny olona masina any Jerosalema.",
        "27": "Marina fa nahafinaritra azy ireo ny nanao an\u2019izany, nefa koa tena trosa tokony haloany amin\u2019izy ireo izany. Raha nahazo tamin\u2019ny harena ara-panahin\u2019ny olona masina mantsy ny hafa firenena, dia mba adidiny kosa ny mikarakara azy ireo ka manome an\u2019izay zavatra ilainy andavanandro.",
        "28": "Koa rehefa avy manatitra an\u2019izany fanomezana izany aho ka azoko antoka hoe voarain\u2019ny olona masina ilay izy, dia ho any Espaina aho, dia amin\u2019izay aho no handalo kely any aminareo.",
        "29": "Fantatro koa fa rehefa tonga any aminareo aho, dia hitondra fitahiana be dia be avy amin\u2019i Kristy ho anareo.",
        "30": "Ry rahalahy, satria isika mino an\u2019i Jesosy Kristy Tompontsika sady mifankatia noho ny herin\u2019Andriamanitra, dia mampirisika anareo aho mba hiezaka mafy hivavaka amin\u2019Andriamanitra ho ahy, hoatran\u2019ny efa ataoko.",
        "31": "Amin\u2019izay aho mba hovonjena amin\u2019ireo tsy mpino any Jodia, ary mba hankasitrahan\u2019ny olona masina any Jerosalema ilay fanompoana ataoko ho azy ireo.",
        "32": "Dia ho falifaly aho rehefa tonga any aminareo ka samy ho velombelona daholo isika, raha sitrapon\u2019Andriamanitra.",
        "33": "Enga anie hanohana anareo ilay Andriamanitry ny fiadanana! Amena."
    },
    "16": {
        "1": "Ampahafantariko anareo i Foiby anabavintsika, mpanompo ao amin\u2019ny fiangonana any Kenkrea.",
        "2": "Mba raiso tsara izy araka izay mendrika handraisana ny olona masina, satria mpiray finoana aminareo ao amin\u2019ny Tompo izy. Mba ampio koa izy amin\u2019izay zavatra ilainy. Mpiaro olona maro mantsy izy, sady mpiaro ahy koa.",
        "3": "Mampamangy any amin\u2019i Priska sy Akoila, mpiara-miasa amiko amin\u2019ny asan\u2019i Kristy Jesosy.",
        "4": "Nanao vivery ny ainy hamonjena ahy mantsy izy mivady ireo. Tsy izaho ihany no misaotra azy, fa ny fiangonana rehetra any amin\u2019ny hafa firenena koa.",
        "5": "Mampamangy any amin\u2019ilay fiangonana mivory ao an-tranon\u2019izy mivady. Mampamangy any amin\u2019i Epaineto malalako, ilay voaloham-bokatra tany Azia ho an\u2019i Kristy.",
        "6": "Mampamangy any amin\u2019i Maria, ilay niasa mafy ho anareo.",
        "7": "Mampamangy any amin\u2019i Androniko sy Jonia, havako sy niara-nigadra tamiko. Fantatry ny apostoly tsara izy ireo sady efa tafaray amin\u2019i Kristy talohako.",
        "8": "Mampamangy any amin\u2019i Ampliato, malalako ao amin\u2019ny Tompo.",
        "9": "Mampamangy any amin\u2019i Orbano, mpiara-miasa amintsika amin\u2019ny asan\u2019i Kristy, sy Staky malalako.",
        "10": "Mampamangy any amin\u2019i Apela, ilay ankasitrahan\u2019i Kristy. Mampamangy any amin\u2019ny ankohonan\u2019i Aristobolo.",
        "11": "Mampamangy any amin\u2019i Herodiona havako. Mampamangy any amin\u2019ny ankohonan\u2019i Narsisy izay ao amin\u2019ny Tompo.",
        "12": "Mampamangy any amin\u2019i Tryfena sy Tryfosa, vehivavy miasa mafy ao amin\u2019ny Tompo. Mampamangy any amin\u2019i Persy anabavy malalantsika, fa niasa mafy tao amin\u2019ny Tompo izy.",
        "13": "Mampamangy any amin\u2019i Rofosy, ilay voafidin\u2019ny Tompo, sy any amin\u2019ny reniny sady reniko.",
        "14": "Mampamangy any amin\u2019i Asynkrito, Flegona, Hermesy, Patroba, sy Herma, ary ny rahalahy miaraka amin\u2019izy ireo.",
        "15": "Mampamangy any amin\u2019i Filologo sy Jolia, Nerea sy ny anabaviny, sy Olympa, ary ny olona masina rehetra miaraka amin\u2019izy ireo.",
        "16": "Mifampiarahab\u00e0 amin\u2019ny oroka masina. Manao mampamangy anareo daholo ny fiangonan\u2019i Kristy.",
        "17": "Mampirisika anareo aho, ry\u00a0rahalahy, mba hanara-maso an\u2019izay mampisy fisaratsarahana sy mahatonga ny hafa hiala amin\u2019ny finoana. Mifanohitra amin\u2019ny fampianarana efa henonareo mantsy izany ataony izany, ka halaviro izy ireny.",
        "18": "Fa tsy mpanompon\u2019i Kristy Tompontsika ny olona hoatr\u2019ireny, fa mpanompon\u2019ny kibony ihany. Manao teny malefaka sy mandokadoka olona izy ireny mba hamitahana an\u2019izay olona tsotra\u00a0be.",
        "19": "Efa tsikaritry ny rehetra fa mankat\u00f2 ianareo, ka mahafaly ahy ianareo. Tiako anefa ianareo raha kinga saina amin\u2019ny zavatra tsara, fa bado kosa amin\u2019ny zavatra ratsy.",
        "20": "Ary tsy ho ela ilay Andriamanitry ny fiadanana dia hanorotoro an\u2019i Satana eo ambany tongotrareo. Enga anie ianareo hanehoan\u2019i Jesosy Tompontsika hatsaram-panahy miavaka!",
        "21": "Mampamangy, hono, ianareo, hoy i Timoty, mpiara-miasa amiko, sy Losio sy Jasona ary Sosipatro, izay samy havako.",
        "22": "Izaho, Tertio, izay nanao an-tsoratra an\u2019ity taratasy ity, dia manao mampamangy anareo ao amin\u2019ny Tompo.",
        "23": "Mampamangy, hono, ianareo, hoy i Gaio, mpampiantrano ahy sy mpampiantrano ny fiangonana manontolo. Mampamangy, hono, ianareo, hoy i Erasto, mpitahiry ny volan\u2019ny tan\u00e0na, sy Koarto rahalahiny.",
        "24": "* \u2014\u2014",
        "25": "Hita amin\u2019ny vaovao tsara toriko sy ny hafatra momba an\u2019i Jesosy Kristy fa afaka manampy anareo ho mafy orina Andriamanitra. Izany vaovao tsara izany dia mifanaraka amin\u2019ilay zava-miafina masina izay nafenina hatry ny ela be, fa efa naharihary izao.",
        "26": "Efa naseho io zava-miafina io izao, sady efa nampahafantarina tany amin\u2019ny firenena rehetra, tamin\u2019ny alalan\u2019ny faminaniana ao amin\u2019ny Soratra Masina. Mifanaraka amin\u2019ny didin\u2019ilay Andriamanitra mandrakizay izany, satria tiany hino sy hankat\u00f2 azy ny olona.",
        "27": "Homena an\u2019Andriamanitra, ilay hany manam-pahendrena, anie ny voninahitra mandrakizay amin\u2019ny alalan\u2019i Jesosy Kristy! Amena."
    },
    "meta": {
        "name": "Romanina",
        "order": 44,
        "chapter_number": 16
    }
}