UNPKG

mg-bibles

Version:

A package for accessing Bible verses in Malagasy (MG), Diem, King James (KJV), and Louis Segond (APEE) versions

985 lines 113 kB
{
    "1": {
        "1": "Ny ohabolan\u2019i Solomona zanak\u2019i Davida, mpanjakan\u2019ny Israely.",
        "2": "Nosoratana ireny mba hahalalana ny atao hoe fahendrena sy anatra, Mba hahazoana ny dikan\u2019ny tenin\u2019ny hendry,",
        "3": "Mba hanekena anatra ka hahatonga ny olona ho lasa lalin-tsaina, Hanao ny marina, hahay hanapa-kevitra, ary hanao ny rariny sy ny hitsiny.",
        "4": "Nosoratana koa ireny mba ho lasa malina ny olona mbola tsy dia nahita fiainana, Ary hanam-pahalalana sy hahay hisaina tsara ny tanora.",
        "5": "Mihaino ny hendry ka mitombo ny zavatra fantany. Mahazo tari-dalana tsara ny mahira-tsaina,",
        "6": "Mba hahazoany ny dikan\u2019ny ohabolana sy ny sarin-teny saro-pantarina, Ary ny tenin\u2019olon-kendry sy ny ankamantatra ataony.",
        "7": "Ny fahatahorana an\u2019i Jehovah no fiandohan\u2019ny fahalalana. Ny tsisy saina ihany no manao tsinontsinona ny fahendrena sy ny anatra.",
        "8": "Henoy, anaka, ny anatry ny rainao, Ary aza lavina ny tenin\u2019ny reninao.",
        "9": "Fehiloha tsara tarehy eo amin\u2019ny lohanao izany, Ary firavaka tena tsara eny amin\u2019ny tendanao.",
        "10": "Aza manaiky, anaka, raha misy mpanota mitady hitaona anao,",
        "11": "Na raha miteny izy ireo hoe: \u201cAndao hiaraka aminay. Andao hiafina mba hamono olona. Hiafina isika dia hiandriandry olona tsy manan-tsiny, mba hamely azy tsy amin\u2019antony.",
        "12": "Hitelina azy velona isika, hoatran\u2019ny ataon\u2019ny Fasana, Dia hataontsika indray mitelina izy manontolo, sahala amin\u2019ny olona latsaka any an-davaka.",
        "13": "Andao halaintsika daholo ny harenany sarobidy, Dia hofenointsika zavatra norobaina ny tranontsika.",
        "14": "Andao hiaraka aminay, Dia hozaraintsika mitovy izay zavatra hangalarintsika.\u201d",
        "15": "Aza manaraka azy ireo, anaka. Aza mandeha amin\u2019ny lalany mihitsy.",
        "16": "Fa mihazakazaka hanao ratsy ny tongony, Ary maika handatsa-dra izy.",
        "17": "Tena hiala maina izay mamelatra harato eo imason\u2019ny vorona.",
        "18": "Izany no mahatonga azy ireo hiafina mba handatsa-dra. Miafina mba hanala ain\u2019olona izy ireo.",
        "19": "Izany no fanaon\u2019ny olona mitady tombony amin\u2019ny tsy marina. Haningotra ny ain\u2019izay mahazo azy izany.",
        "20": "Miantsoantso eny an-dalana ny tena fahendrena, Ary manandratra ny feony eny amin\u2019ny tany malalaky ny tan\u00e0na.",
        "21": "Eny an-joron-dalana be\u00a0olona izy no miantsoantso. Eo amin\u2019ny vavahady fidirana mankao an-tan\u00e0na izy no miteny hoe:",
        "22": "\u201cMandra-pahoviana ianareo tsy dia nahita fiainana no mbola te hiadaladala? Mandra-pahoviana ianareo mpaneso no mbola ho tia manesoeso? Ary mandra-pahoviana ianareo tsisy saina no mbola hankahala fahalalana?",
        "23": "Ekeo ny anatro, Dia handatsahako ny fanahiko ianareo, Ary hampahafantariko anareo ny teniko.",
        "24": "Efa niantsoantso mantsy aho, fa tsy nety mihitsy ianareo, Ary efa nanolotra ny tanako aho, fa tsy nisy niraharaha.",
        "25": "Tsy nisy noraharahianareo ny torohevitro rehetra, Ary nolavinareo ny anatro.",
        "26": "Dia hihomehy koa aho rehefa mamely anareo ny loza, Ary haneso aho rehefa tonga izay tena atahoranareo,",
        "27": "Rehefa avy hoatran\u2019ny oram-baratra ny zavatra mampatahotra\u00a0be anareo, Ary tonga tahaka ny tafio-drivotra ny loza hanjo anareo, Rehefa mianjady aminareo ny fahoriana sy ny zava-tsarotra.",
        "28": "Hiantso ahy foana izy ireo amin\u2019izay, fa tsy hamaly aho, Ary hitady ahy mafy izy, fa tsy hahita ahy.",
        "29": "Nankahala fahalalana mantsy izy, Ary tsy nifidy ny hatahotra an\u2019i Jehovah.",
        "30": "Tsy nekeny ny torohevitro, Sady tsy nisy noraharahiany ny anatro.",
        "31": "Koa hizaka ny vokatry ny nataony izy, Ary hahita faisana noho ny teti-dratsiny.",
        "32": "Fa ny ditran\u2019izay mbola tsy dia nahita fiainana no hahafaty azy, Ary ho ringana ny tsisy saina satria tsy mivaky loha.",
        "33": "Izay mihaino ahy kosa hilamina, Sady tsy mba hiady saina satria tsy matahotra loza.\u201d"
    },
    "2": {
        "1": "Raha ekenao ny teniko, anaka, Ary tehirizinao ao am-ponao ny didiko,",
        "2": "Ka manongilan-tsofina hihaino ny fahendrena ianao, Ary manokatra ny fonao mba hahatonga anao hahay handinika,",
        "3": "Raha miantsoantso mitady fahiratan-tsaina koa ianao, Ary manandratra ny feonao mba hahatonga anao hahay handinika,",
        "4": "Raha mitady an\u2019izany foana hoatran\u2019ny mitady volafotsy ianao, Ary mikaroka an\u2019izany foana hoatran\u2019ny mikaroka harena miafina,",
        "5": "Dia ho azonao ny atao hoe fahatahorana an\u2019i Jehovah, Ary ho hitanao ny fahalalana an\u2019Andriamanitra.",
        "6": "Fa i Jehovah mihitsy no manome fahendrena, Ary avy amin\u2019ny vavany ny fahalalana sy ny fahaiza-mandinika.",
        "7": "Mitahiry fahendrena ho an\u2019ny olo-marina izy, Ary ampingan\u2019izay tsy mivadika aminy.",
        "8": "Mitsinjo ny lalan\u2019izay tia rariny izy, Sady hiaro ny lalan\u2019izay tsy mivadika aminy.",
        "9": "Amin\u2019izay dia ho azonao ny atao hoe marina sy rariny ary hitsiny, Ka ho fantatrao daholo ny atao hoe tsara.",
        "10": "Raha tafiditra ao am-ponao ny fahendrena, Ary lasa mahafinaritra anao ny fahalalana,",
        "11": "Dia hiambina anao ny fahaiza-misaina, Ary hiaro anao ny fahaiza-mandinika,",
        "12": "Amin\u2019izay ianao ho voaro tsy hanao ratsy, Sady tsy ho voatariky ny olona miresaka zava-dratsy.",
        "13": "Amin\u2019izay koa ianao ho voaro amin\u2019ny olona miala amin\u2019ny lala-mahitsy, Dia amin\u2019ny olona te handeha amin\u2019ny lalan\u2019ny haizina,",
        "14": "Sady ho voaro amin\u2019izay faly manao ratsy, Izay ravoravo manao zavatra tena ratsy,",
        "15": "Dia izay manaraka lalana miolakolaka, Sy efa zatra mametsifetsy.",
        "16": "Ny fahendrena koa no hanafaka anao tsy ho azon\u2019ny vehivavy maditra, Sy tsy ho voafitaky ny teny malefaka lazain\u2019ny vehivavy ratsy fitondran-tena,",
        "17": "Izay nandao ny vadin\u2019ny fahatanorany, Ary manadino an\u2019ilay fifanekena nifanaovany tamin\u2019ny Andriamaniny.",
        "18": "Fa milentika ho any amin\u2019ny fahafatesana ny tranony, Ary ny lalany mankany amin\u2019ny maty tsy mahavita na inona na inona.",
        "19": "Tsy hisy hiverina\u00a0intsony izay manao firaisana aminy, Sady tsy handeha amin\u2019ny lalan\u2019ny fiainana intsony.",
        "20": "Koa araho ny lalan\u2019ny olona tsara toetra, Ary aza miala amin\u2019ny lalan\u2019ny olo-marina.",
        "21": "Fa ny olo-marina ihany no honina eto an-tany, Ary ny tsy misy tsiny no hipetraka eto foana.",
        "22": "Fa ny ratsy fanahy kosa horinganina tsy hisy eto an-tany, Ary ny mpivadika hesorina tanteraka eto."
    },
    "3": {
        "1": "Aza manadino ny fampianarako, anaka, Ary enga anie ny fonao hankat\u00f2 ny didiko!",
        "2": "Fa hahatonga anao ho lava andro iainana ireny, Ary hahatonga anao ho ela\u00a0velona sy hiadana.",
        "3": "Aza avela hiala aminao ny fitiavana sy ny tsy fivadihana. Afatory eo amin\u2019ny vozonao ireo toetra ireo, Ary soraty eo amin\u2019ny fonao,",
        "4": "Dia hahazo sitraka amin\u2019Andriamanitra sy ny olona ianao, Ka ho hitan\u2019izy ireo hoe misaina tsara.",
        "5": "Matokia an\u2019i Jehovah amin\u2019ny fonao manontolo, Fa aza miantehitra amin\u2019ny fahaizanao.",
        "6": "Eritrereto izy amin\u2019izay rehetra ataonao, Dia hataony mandeha tsara ny fiainanao.",
        "7": "Aza mihevi-tena ho hendry, Fa matahora an\u2019i Jehovah ka aza manao ratsy intsony.",
        "8": "Hanasitrana ny vatanao izany, Sady hamelombelona ny taolanao.",
        "9": "Manomeza voninahitra an\u2019i Jehovah amin\u2019ireo zava-tsarobidy anananao, Sy amin\u2019ny voaloham-bokatrao rehetra.",
        "10": "Dia ho feno mitafotafo ny trano fitehirizam-bokatrao, Ary ny divay vaovao hihoatra an\u2019ireo fanantazanao divay.",
        "11": "Aza lavina ny famaizan\u2019i Jehovah, anaka, Ary aza ankahalaina ny anatra omeny.",
        "12": "Fa izay tian\u2019i Jehovah no anariny, Toy ny ataon\u2019ny ray amin\u2019ny zanaka tiany.",
        "13": "Sambatra ny olona mahita fahendrena, Sy ny olona lasa mahay mandinika.",
        "14": "Aleo mahazo fahendrena toy izay mahazo volafotsy, Ary mahazo tombony kokoa izay manana azy noho izay manana volamena.",
        "15": "Sarobidy noho ny haran-dranomasina izy\u00a0io, Ary tsy misy azo ampitahaina aminy izay rehetra tianao.",
        "16": "Androm-piainana lava\u00a0be no eny an-tanany ankavanana, Ary harena sy voninahitra no eny an-tanany ankavia.",
        "17": "Mahafinaritra ny lalany, Ary hahita fiadanana izay mandeha amin\u2019ny lalany rehetra.",
        "18": "Hazon\u2019aina ho an\u2019izay mitazona azy izy\u00a0io, Ary izay mifikitra mafy aminy no hatao hoe sambatra.",
        "19": "Nampiasa ny fahendreny i Jehovah tamin\u2019izy nanorina ny tany, Ary nasehony hoe mahira-tsaina izy tamin\u2019izy nanao ny lanitra ho mafy orina.",
        "20": "Ny fahalalany no nampisaraka ny rano lalina, Sy nahatonga ny lanitra hitete ando.",
        "21": "Afantohy amin\u2019izany foana ny masonao, anaka. Arovy ny fahendrena sy ny fahaiza-misaina,",
        "22": "Fa hahazoanao fiainana izany, Ary ho firavaka eo amin\u2019ny tendanao.",
        "23": "Amin\u2019izay dia handeha tsy manana ahiahy ianao eo amin\u2019ny lalanao, Ary tsy ho tafintohina mihitsy ny tongotrao.",
        "24": "Tsy mba hatahotra ianao rehefa matory. Hatory tokoa ianao ka ho mamy ny torimasonao.",
        "25": "Tsy hatahoranao ny zavatra mampihorohoro tampoka, Na ny oram-baratra mamely ny ratsy fanahy.",
        "26": "Fa i Jehovah no ho tokinao, Ary harovany mba tsy ho voafandrika ny tongotrao.",
        "27": "Aza misalasala manao soa amin\u2019izay tokony hanaovan-tsoa, Raha mbola azonao atao ihany ny manampy.",
        "28": "Aza miteny amin\u2019ny namanao hoe: \u201cMandehana dia miverena amin\u2019ny manaraka! Rahampitso ianao homeko\u201d, Nefa afaka manome eo no ho eo ihany ianao.",
        "29": "Aza mitetika ny hanisy ratsy ny namanao, Nefa izy miara-monina aminao sady matoky anao.",
        "30": "Aza mifamaly tsy amin\u2019antony amin\u2019olona, Raha tsy nanao ratsy anao izy.",
        "31": "Aza mitsiriritra olona mahery setra, Na mifidy ny lalany.",
        "32": "Halan\u2019i Jehovah ny olona fetsifetsy, Fa ataony namana akaiky kosa ny olona manao izay mahitsy.",
        "33": "Ny ozon\u2019i Jehovah dia ao an-tranon\u2019ny ratsy fanahy, Fa ny fitahiany kosa ao an-tranon\u2019ny olo-marina.",
        "34": "Esoesoiny mantsy izay maneso, Fa ankasitrahany kosa ny mpandefitra.",
        "35": "Hahazo voninahitra ny hendry, Fa zavatra manala baraka kosa no sarobidy amin\u2019ny adala."
    },
    "4": {
        "1": "Henoy, anaka, ny anatry ny ray. Mihainoa tsara, dia hahira-tsaina ianareo,",
        "2": "Fa homeko torohevitra tsara ianareo, Ka aza lavina ny fampianarako.",
        "3": "Tena zanaka hendry aho tamin\u2019ny raiko, Ary izaho ilay tena tian\u2019ny reniko.",
        "4": "Nampianarin\u2019ny raiko aho hoe: \u201cAtaovy ao am-ponao foana ny teniko. Araho foana ny didiko, dia ho ela velona ianao.",
        "5": "Miezaha hanana fahendrena sy ho lasa mahira-tsaina. Aza hadinoina ary aza ialana ny teniko.",
        "6": "Aza mahafoy ny fahendrena, dia hiaro anao izy. Tiavo izy, dia hambenany tsara ianao.",
        "7": "Ny fahendrena no zava-dehibe indrindra, ka miezaha hanana fahendrena. Ary ankoatra an\u2019izay efa azonao rehetra, dia miezaha ho lasa mahira-tsaina.",
        "8": "Hevero ho sarobidy be ny fahendrena, dia hataony misandratra ianao. Homeny voninahitra ianao satria tena tia azy.",
        "9": "Hasiany fehiloha tsara tarehy ny lohanao, Ary horavahany satroboninahitra tsara tarehy ianao.\u201d",
        "10": "Mihainoa, anaka, ary ekeo ny teniko, Dia hihamaro ny taona hiainanao.",
        "11": "Hatoroko anao ny lalan\u2019ny fahendrena. Hotarihiko handeha eo amin\u2019ny lalan\u2019ny fahitsiana ianao.",
        "12": "Rehefa mandeha ianao, dia tsy hisy hanembantsembana, Ary raha mihazakazaka ianao, dia tsy ho tafintohina.",
        "13": "Taz\u00f2ny mafy ny anatra omena anao ka aza avotsotra. Arovy izy fa ainao.",
        "14": "Aza mankany amin\u2019ny lalan\u2019ny ratsy fanahy, Ary aza mandeha eny amin\u2019ny lalan\u2019ny olon-dratsy.",
        "15": "Halaviro ny lalany fa aza arahina. Mivilia ary aza mandalo eny.",
        "16": "Fa tsy matory izy ireny raha tsy avy manao ratsy, Ary tsy mahita tory raha tsy avy mamingana olona.",
        "17": "Amin\u2019ireny, dia hoatran\u2019ny mihinana mofo ny manao ratsy, Ary hoatran\u2019ny misotro divay ny mampiasa herisetra.",
        "18": "Ny lalan\u2019ny marina kosa toy ny hazavan\u2019ny maraina, Izay mihamazava tsikelikely mandra-pahatoandron\u2019ny andro.",
        "19": "Mitovy amin\u2019ny haizim-pito ny lalan\u2019ny ratsy fanahy. Tsy fantany akory izay mahatafintohina azy.",
        "20": "Henoy, anaka, ny teniko. Henoy tsara izay lazaiko.",
        "21": "Afantohy amin\u2019izany foana ny masonao, Dia ataovy ao am-ponao foana izany.",
        "22": "Fa ho velona izay mahita an\u2019izany, Ary ho salama tsara ny vatany manontolo.",
        "23": "Arovy ny fonao, mihoatra noho izay rehetra tokony harovana, Fa avy ao aminy ny loharanon\u2019aina.",
        "24": "Ataovy fady anao ny mandainga, Ary ataovy lavitra anao ny milaza teny mamitaka.",
        "25": "Ataovy mijery tsara ny any aloha ny masonao, Eny, afantohy any aloha ny masonao.",
        "26": "Ataovy tsy misy mikitoantoana izay andehanan\u2019ny tongotrao, Dia ho azo antoka tsara ny lalanao rehetra.",
        "27": "Aza mivily miankavanana na miankavia. Aza avela ho any amin\u2019ny ratsy ny tongotrao."
    },
    "5": {
        "1": "Henoy, anaka, ny tenim-pahendrena lazaiko. Henoy tsara fa ampianariko anao ny atao hoe mahay mandinika,",
        "2": "Amin\u2019izay ianao hahay hisaina tsara foana, Ka hifanaraka amin\u2019ny fahalalana foana ny zavatra lazainao.",
        "3": "Fa mamy hoatran\u2019ny tantely ny tenin\u2019ny vehivavy maditra, Ary malefaka noho ny menaka ny vavany.",
        "4": "Mangidy be toy ny vahona anefa ilay vehivavy amin\u2019ny farany, Ary maranitra hoatran\u2019ny sabatra roa lela.",
        "5": "Midina mankany amin\u2019ny fahafatesana ny tongony, Ary mamantana any amin\u2019ny Fasana ny diany.",
        "6": "Tsy mba miraharaha ny lalan\u2019ny fiainana izy. Mirenireny eny izy, nefa tsy fantany hoe ho aiza.",
        "7": "Henoy \u00e0ry aho, anaka, Ary aza hadinoina izay teneniko.",
        "8": "Ialao lavitra be ny vehivavy toy izany, Ary aza manakaiky ny fidirana mankao an-tranony,",
        "9": "Sao homenao olona ny hajanao, Ary hijinja ny vokany ianao, ka hijaly mandritra ny taona maro.",
        "10": "Sao koa ny vahiny no handany ny harenanao, Ary ho lasan\u2019olon-kafa ny zavatra nisasaranao.",
        "11": "Sao hitaraindraina ianao rehefa ho faty, Sy rehefa ho levona ny nofonao sy ny vatanao.",
        "12": "Dia hilaza ianao amin\u2019izay hoe: \u201cFa naninona re aho no nankahala anatra\u00a0e? Naninona re ny foko no tsy niraharaha fananarana\u00a0e?",
        "13": "Tsy mba nohenoiko ny tenin\u2019ny mpanoro hevitra ahy, Ary tsy noraharahiako izay nolazain\u2019ny mpampianatra ahy.",
        "14": "Fa efa ho potika tanteraka izao ny fiainako, Eo anivon\u2019ny fiangonana manontolo.\u201d",
        "15": "Misotroa rano avy ao amin\u2019ny lavaka fanangonanao rano, Ary misotroa rano velona avy ao amin\u2019ny lavadranonao.",
        "16": "Ny loharanonao ve dia avelanao hiparitaka eny ivelany, Ary ny ranonao avelanao hikoriana eny amin\u2019ny tany malalaky ny tan\u00e0na?",
        "17": "Aleo ho anao irery izany, Fa tsy ho an\u2019ny vahiny eo aminao.",
        "18": "Enga anie hotahina ny loharanonao! Ary enga anie ianao hifaly amin\u2019ny vadin\u2019ny fahatanoranao!",
        "19": "Fa serfavavy mahatehotia sy osy kely mahafatifaty izy. Enga anie ianao hahazo fahafinaretana foana amin\u2019ny nonony, Ary ho babon\u2019ny fitiavany foana anie ianao!",
        "20": "Fa nahoana ianao, anaka, no ho babon\u2019ny vehivavy maditra, Na hamihina ny tratran\u2019ny vehivavy ratsy fitondran-tena?",
        "21": "Fa hitan\u2019i Jehovah izay ataon\u2019ny olona, Ary dinihiny tsara daholo ny lalany rehetra.",
        "22": "Voafandriky ny ratsy nataony ihany ny ratsy fanahy, Ary ho voafatotry ny fahotany ihany izy.",
        "23": "Ho faty izy satria tsy nihaino anatra, Ary ho diso lalana satria be loatra ny hadalana vitany."
    },
    "6": {
        "1": "Raha nanaiky hiantoka olona nindram-bola ianao, anaka, Ary raha efa nifanaiky sy nifandray tanana tamin\u2019olon-kafa,",
        "2": "Raha voafandrik\u2019izay efa nampanantenainao ianao, Ka voafatotry ny teninao ihany,",
        "3": "Dia efa eo am-pelatanan\u2019ilay olona ianao, anaka, Ka izao atao raha te ho afaka ianao: Mandehana manetry tena eo anatrehany, dia iangavio mafy izy.",
        "4": "Aza avela hatory ny masonao, Ary aza avela ho rendremana raha tsy efa vitanao izany.",
        "5": "Afaho ny tenanao, hoatran\u2019ny gazela mandositra avy eny an-tanan\u2019ny mpihaza, Sy toy ny vorona mandositra avy eny an-tanan\u2019ny mpamandri-borona.",
        "6": "Mandehana any amin\u2019ny vitsika, ry ilay kamo, Ary diniho ny fanaony ka mba hendre.",
        "7": "Na dia tsy manana mpitondra na mpiadidy na mpitarika aza izy,",
        "8": "Dia manangona sakafo rehefa fahavaratra, Ary manangona hanina rehefa fotoam-pijinjana.",
        "9": "Mandra-pahoviana ianao, ry ilay kamo, no mbola hatory? Rahoviana ianao vao hifoha amin\u2019ny torimasonao?",
        "10": "Raha mbola hatory kely ihany ianao, mbola ho rendremana kely ihany, Ary mbola haka aina kely ihany,",
        "11": "Dia ho avy tampoka hoatran\u2019ny mpangalatra ny fahantranao, Ary ho tonga tampoka hoatran\u2019ny lehilahy mitondra fiadiana ny fahasahirananao.",
        "12": "Mandehandeha mandaingalainga eny ny olona tsisy ilana azy sy ratsy fanahy.",
        "13": "Mipy maso izy, sady manao fihetsika amin\u2019ny tongony sy amin\u2019ny rantsantanany mba hilazana zavatra.",
        "14": "Zava-dratsy ihany no ao am-pony, Dia mitetika ny hanao ratsy foana izy, sady tsy manao afa-tsy ny mampiady olona.",
        "15": "Koa hamely azy tampoka ny loza. Ho torotoro ao anatin\u2019ny indray mipy maso izy ka tsy ho sitrana intsony.",
        "16": "Misy zavatra enina halan\u2019i Jehovah, Eny, fito ny zavatra tena tsy tiany:",
        "17": "Ny maso mianjonanjona, ny lela zatra mandainga, ny tanana mandatsaka ran\u2019olona tsy manan-tsiny,",
        "18": "Ny fo mamorona teti-dratsy, ny tongotra mihazakazaka hanao ratsy,",
        "19": "Ny vavolombelona mandainga izay efa tranon-dainga mihitsy, Ary ny olona mampiady ny mpirahalahy.",
        "20": "Araho, anaka, ny didin\u2019ny rainao, Ary aza lavina ny tenin\u2019ny reninao.",
        "21": "Ataovy ao am-ponao foana izany, Ary afatory eo amin\u2019ny vozonao.",
        "22": "Hitari-dalana anao izany rehefa mandeha ianao. Hiambina anao koa izany rehefa matory ianao, Ary hiresaka aminao rehefa mifoha ianao.",
        "23": "Fa jiro ny didy, Hazavana ny lal\u00e0na, Ary lalana mankany amin\u2019ny fiainana ny anatra sy ny fanitsiana.",
        "24": "Hiaro anao amin\u2019ny vehivavy maditra izany, Mba tsy ho babon\u2019ny teny malefaka ataon\u2019ny vehivavy ratsy fitondran-tena ianao.",
        "25": "Aza mitsiriritra azy ao am-ponao satria hoe tsara tarehy izy, Ary aza manaiky ho babon\u2019ny masony manintona,",
        "26": "Fa ny vehivavy mpivaro-tena no mahatonga ny lehilahy tsy hanana afa-tsy sombi-mofo, Ary ny vehivavy efa vadin\u2019olona, mamelatra fandrika hamandrihana aina sarobidy.",
        "27": "Misy olona afaka manangona vainafo eo an-tratrany ve, nefa tsy ho may ny akanjony?",
        "28": "Ary misy olona afaka mandeha eo ambony vainafo ve, nefa tsy ho may ny tongony?",
        "29": "Hoatr\u2019izany izay lehilahy manao firaisana amin\u2019ny vadin\u2019olona. Tsy hisy ho afa-maina izay mikasika an\u2019ilay vehivavy.",
        "30": "Tsy ankahalain\u2019ny olona ny mpangalatra, Raha mangalatra zavatra hahavoky azy satria noana.",
        "31": "Raha tratra anefa izy, dia hanonitra avo fito heny, Ka hanome ny zava-tsarobidy rehetra ao an-tranony.",
        "32": "Tsy ampy saina izay manitsakitsa-bady ka mijangajanga amin\u2019ny vehivavy. Manimba tena izay manao an\u2019izany.",
        "33": "Haradratra sy ho afa-baraka izy, Ary ho ratsy laza eny foana.",
        "34": "Fa ny fahasarotam-piaro no mahatonga ny lehilahy ho tezitra mafy, Ary tsy hamindra fo mihitsy izy rehefa mamaly faty.",
        "35": "Tsy hanaiky handray onitra izy, Sady tsy hilefitra mihitsy, na dia omenao fanomezana lafo vidy aza."
    },
    "7": {
        "1": "Araho foana ny teniko, anaka, Ary tehirizo ao am-ponao ny didiko.",
        "2": "Araho ny didiko, dia ho velona ianao, Ary arovy toy ny anakandriamasonao ny teniko.",
        "3": "Afatory eo amin\u2019ny rantsantananao izany, Ary soraty eo amin\u2019ny fonao.",
        "4": "Lazao amin\u2019ny fahendrena hoe: \u201cAnabaviko ianao\u201d, Ary amin\u2019ny fahiratan-tsaina hoe: \u201cHavako ianao.\u201d",
        "5": "Amin\u2019izay ianao harovany amin\u2019ny vehivavy maditra, Sy amin\u2019ny vehivavy ratsy fitondran-tena, izay manao teny malefaka.",
        "6": "Tamin\u2019izaho nitazana avy teo am-baravarankelin\u2019ny tranoko, Teo amin\u2019ilay makarakara,",
        "7": "Dia nandinika an\u2019ireo olona mora fetsifetsena aho, Ka nahamarika tovolahy iray tsy ampy saina, izay niaraka tamin\u2019ny tanora maromaro.",
        "8": "Nandalo teo amin\u2019ilay zoron-dalana teny akaikin\u2019ny tranon\u2019ilay vehivavy izy, Dia nandeha tamin\u2019ny lalana mankany amin\u2019ny tranony.",
        "9": "Harivariva efa maizimaizina tamin\u2019izay, Rehefa ho alina sy maizina iny ny andro.",
        "10": "Dia iny nisy vehivavy nitsena azy, Nanao akanjona mpivaro-tena sady fetsifetsy.",
        "11": "Petsam-bava\u00a0be izy sady sahisahy. Tsy mba mipetraka an-trano mihitsy koa izy,",
        "12": "Fa mbetika eny ivelany, mbetika eny amin\u2019ny tany malalaky ny tan\u00e0na. Eny akaikin\u2019ny zoron-dalana rehetra eny izy no miandriandry.",
        "13": "Notazoniny ilay tovolahy dia norohany. Hita hoe sahisahy\u00a0be ilay vehivavy niteny hoe:",
        "14": "\u201cTsy maintsy nanao sorona iombonana aho, Ary nanefa ny voadiko aho androany.",
        "15": "Dia nivoaka hitsena anao\u00a0aho Mba hitady anao, dia hitako ianao!",
        "16": "Efa nasiako lambam-pandriana tsara tarehy ny fandrianako, Lamba rongony marevaka avy any Ejipta.",
        "17": "Efa nofafazako miora sy aloesy ary kanelina koa ny fandrianako.",
        "18": "Andao isika hiara-higoka ny hamamin\u2019ny fitiavana, mandra-paharainan\u2019ny andro. Andao isika haka fahafinaretana amin\u2019ny fifanehoam-pitiavana.",
        "19": "Tsy ao an-trano mantsy ny vadiko, Fa nandeha lavitra\u00a0be.",
        "20": "Nitondra kitapom-bola izy, Dia tsy hody raha tsy efa fenomanana ny volana.\u201d",
        "21": "Noreseny lahatra teo foana ilay tovolahy dia voafitaka. Nanaovany teny malefaka izy ka babony.",
        "22": "Tampoka teo, dia lasa nanaraka azy ilay tovolahy, toy ny omby entina hovonoina, Ary hoatran\u2019ny adala hosazina dia hasiana gadra hazo.",
        "23": "Farany, dia nitsatoka tamin\u2019ny atiny ny zana-tsip\u00ecka. Toy ny vorona misosososo mankao anaty fandrika izy, ka tsy fantany hoe haningotra ny ainy izany.",
        "24": "Henoy \u00e0ry aho, anaka, Henoy tsara izay lazaiko.",
        "25": "Aza avela hivily mankany amin\u2019ny lalan\u2019ilay vehivavy ny fonao. Aza mandehandeha eny amin\u2019ny lalany,",
        "26": "Fa be dia be ny olona efa matiny, Ary betsaka no efa novonoiny.",
        "27": "Lalana mankany amin\u2019ny Fasana ny tranony, Dia lalana midina mankany amin\u2019ny efitra anatiny misy ny maty."
    },
    "8": {
        "1": "Tsy ny fahendrena ve izany miantsoantso izany? Ary tsy ny fahaiza-mandinika ve izany manao antso avo izany?",
        "2": "Eny amin\u2019ny toerana avoavo amoron-dalana izy no mijanona, Dia eny amin\u2019ny sampanan-dalana.",
        "3": "Eny akaikin\u2019ny vavahady mankao an-tan\u00e0na, Eo amin\u2019ny vavahady fidirana, Izy no miantsoantso mafy\u00a0be hoe:",
        "4": "\u201cIanareo no antsoiko, rey olona\u00a0e! Miantso ny olona rehetra aho.",
        "5": "Ianareo mbola tsy dia nahita fiainana, mba ianaro ny atao hoe malina. Ary ianareo tsisy saina, miezaha hahira-tsaina.",
        "6": "Henoy aho fa zava-dehibe no resahiko, Ary zavatra marina no lazain\u2019ny molotro.",
        "7": "Fa mibitsibitsika fahamarinana ny vavako, Ary tena tsy tian\u2019ny molotro ny zavatra ratsy.",
        "8": "Marina daholo izay lazain\u2019ny vavako, Fa tsy misy lainga na fitaka mihitsy.",
        "9": "Amin\u2019ny olona mahay mandinika, dia mivantana daholo ny teniko, Ary amin\u2019ny olona nahazo fahalalana, dia mety tsara izay lazaiko.",
        "10": "Ny anatra omeko no raiso, fa tsy ny volafotsy, Ary ny fahalalana, fa tsy ny volamena faran\u2019izay tsara.",
        "11": "Fa tsara noho ny haran-dranomasina ny fahendrena, Ary tsy misy azo ampitahaina aminy ny zavatra hafa rehetra irin\u2019ny olona.",
        "12": "Fahendrena no anarako, ary miara-mipetraka amin\u2019ny fahamalinana aho. Nahazo fahalalana aho sady lasa mahay misaina tsara.",
        "13": "Mankahala ny ratsy izay matahotra an\u2019i Jehovah. Halako ny manambony tena, ny mirehareha, ny manao ratsy, ary ny mandaingalainga.",
        "14": "Manana torohevitra tsara sy fahendrena aho, Ary mahira-tsaina sy mahery.",
        "15": "Raha tsy eo aho, dia tsy haharitra eo amin\u2019ny fitondrana ny mpanjaka, Ary tsy hahavita hamoaka didy ara-drariny ny manam-pahefana ambony.",
        "16": "Raha tsy eo aho, dia tsy haharitra eo amin\u2019ny fitondrana ny andriana, Ary tsy hahavita hitsara araka ny rariny ny lehibe.",
        "17": "Izay tia ahy dia tiako, Ary izay mitady ahy no hahita ahy.",
        "18": "Eto amiko ny harena, ny voninahitra, Ny lova sarobidy, ary ny fahamarinana.",
        "19": "Tsara noho ny volamena ny zavatra omeko, mihoatra noho ny volamena voadio aza. Tsara noho ny volafotsy faran\u2019izay tsara ny vokatra avy amiko.",
        "20": "Mandeha eo amin\u2019ny lalan\u2019ny fahamarinana aho, Eo afovoan\u2019ny lalan\u2019ny rariny.",
        "21": "Omeko lova sarobidy izay tia ahy, Ary fenoiko ny trano fitehirizany vokatra.",
        "22": "Izaho no noforonin\u2019i Jehovah voalohany. Izaho no voalohany indrindra amin\u2019ny zava-bitany fahiny.",
        "23": "Efa hatramin\u2019ny taloha ela\u00a0be aho no nomeny toerana ambony, Hatrany am-piandohana, tamin\u2019ny mbola tsy nisy ny tany.",
        "24": "Efa teraka aho, na dia mbola tsy nisy aza ny rano lalina, Ary mbola tsy nisy ny loharano miboiboika.",
        "25": "Mbola tsy nisy ny tendrombohitra, Ary mbola tsy noforonina ny havoana, dia efa teraka aho.",
        "26": "Mbola tsy nanao ny tany sy ny saha izy tamin\u2019izany, Sady mbola tsy nanao ny baingan-tany voalohany.",
        "27": "Efa teo aho rehefa nanao ny lanitra izy. Tamin\u2019izy namaritra ny faravodilanitra eny ambony rano,",
        "28": "Tamin\u2019izy nametraka ny rahona eny ambony, Tamin\u2019izy nanao ny loharano lalina,",
        "29": "Tamin\u2019izy nanome baiko ny ranomasina\u00a0hoe Tsy tokony hihoatra ny fetra nolazainy ny onjany, Tamin\u2019izy nametraka ny fototry ny tany,",
        "30": "Dia mpiasa tena mahay teo akaikiny aho. Izaho ilay tena nahafinaritra azy isan\u2019andro isan\u2019andro, Ary falifaly foana aho teo anatrehany.",
        "31": "Nahafaly ahy ilay tany nataony honenana, Ary tena tiako ny zanak\u2019olombelona.",
        "32": "Henoy \u00e0ry aho, anaka. Sambatra izay manaraka ny lalana atoroko.",
        "33": "Mihainoa anatra, ka hendre, Ary aza atao tsinontsinona mihitsy izany.",
        "34": "Sambatra ny olona mihaino ahy, Ka tonga vao maraina\u00a0be isan\u2019andro eo am-baravarako, Ary miandry eo akaikin\u2019ny tol\u00e0m-baravarako.",
        "35": "Fa hahazo fiainana izay olona mahita ahy, Sady ankasitrahan\u2019i Jehovah.",
        "36": "Manimba tena kosa izay tsy miraharaha ahy, Ary te ho faty izay mankahala ahy.\u201d"
    },
    "9": {
        "1": "Nanorina ny tranony ny tena fahendrena, Ary nanangana ny andry fito amin\u2019ilay trano.",
        "2": "Nokarakarainy tsara ny hena, Dia nasiany fangarony ny divainy, Ary nataony vonona ny latabatra.",
        "3": "Dia nirahiny ny ankizivavy mpanompony, Mba hiantsoantso eny amin\u2019ny toerana avoavo ao an-tan\u00e0na hoe:",
        "4": "\u201cTongava at\u1ef3 izay mbola tsy dia nahita fiainana!\u201d Hoy koa izy amin\u2019ny tsy ampy saina:",
        "5": "\u201cAvia hihinana ny mofo nokarakaraiko, Sy hisotro ny divay efa nasiako fangarony.",
        "6": "Ialao ny tsy fahamatorana dia ho velona ianao, Ary avelao hitarika anao ny fahiratan-tsaina.\u201d",
        "7": "Manala baraka ny tenany izay manitsy ny mpanesoeso. Ary hahita loza izay mananatra ny ratsy fanahy.",
        "8": "Aza mananatra ny mpanesoeso sao ho halany ianao. Ny hendry kosa no anaro dia ho tiany ianao.",
        "9": "Toroy hevitra ny hendry, dia vao mainka izy ho hendry. Ampianaro ny olo-marina, dia hitombo ny zavatra fantany.",
        "10": "Ny fahatahorana an\u2019i Jehovah no fiandohan\u2019ny fahendrena, Ary izay mahalala an\u2019Ilay Masina Indrindra no mahira-tsaina.",
        "11": "Izaho no manalava ny androm-piainanao, Sy mampitombo ny taona iainanao.",
        "12": "Raha lasa hendry ianao, dia ianao ihany no handray soa amin\u2019izany, Fa raha manesoeso ianao, dia ianao ihany no hizaka ny vokany.",
        "13": "Petsam-bava ny vehivavy tsisy saina, Dondrona izy sady tsy mahay na inona na inona mihitsy.",
        "14": "Mipetraka eo ambony seza eo am-baravaran\u2019ny tranony izy, Eny amin\u2019ny toerana avoavo ao an-tan\u00e0nany,",
        "15": "Sady miantsoantso an\u2019izay mandalo, Dia izay mandeha eny an-dalana, hoe:",
        "16": "\u201cTongava at\u1ef3 izay mbola tsy dia nahita fiainana!\u201d Hoy koa izy amin\u2019ny tsy ampy saina:",
        "17": "\u201cMamy ny rano nangalarina, Ary tsara ny mofo hanina miafina.\u201d",
        "18": "Tsy fantatr\u2019izy ireny anefa hoe ny maty, izay tsy mahavita na inona na inona, no any, Ary any amin\u2019ny Fasana ny olona nasain\u2019ilay vehivavy."
    },
    "10": {
        "1": "Ohabolan\u2019i Solomona. Ny zanaka hendry mampifaly ny rainy, Fa ny zanaka adala mampalahelo ny reniny.",
        "2": "Tsy mahasoa ny harena azo tamin\u2019ny tsy marina, Fa hiaro ny olona tsy ho faty kosa ny fanaovana ny marina.",
        "3": "Tsy havelan\u2019i Jehovah ho noana ny olo-marina, Fa holaviny kosa izay irin\u2019ny ratsy fanahy.",
        "4": "Ny tanan\u2019ny kamo mampahantra, Fa ny tanan\u2019ny mazoto kosa mampanan-karena.",
        "5": "Manangom-bokatra mandritra ny fahavaratra ny zanaka hendry, Fa matory mandritra ny fijinjana ny zanaka manala baraka.",
        "6": "Hotahina ny olo-marina, Fa herisetra kosa no ao ambadiky ny tenin\u2019ny ratsy fanahy.",
        "7": "Hotsaroana foana ny olo-marina ka hotahina, Fa ho hadino ny anaran\u2019ny ratsy fanahy.",
        "8": "Hanaiky torohevitra ny olona manana fo hendry, Fa ho voahitsakitsaka kosa izay miteniteny foana.",
        "9": "Hilamin-tsaina ny olona tsy mivadika, Fa ny mpamitaka ho tratra eny ihany.",
        "10": "Mandratra fo ny olona mipy maso nefa te hamitaka, Ary ho voahitsakitsaka izay miteniteny foana.",
        "11": "Loharanon\u2019aina ny vavan\u2019ny olo-marina, Fa herisetra kosa no ao ambadiky ny tenin\u2019ny ratsy fanahy.",
        "12": "Ny fankahalana no mampiady olona, Fa ny fitiavana indray manarona ny fahadisoana rehetra.",
        "13": "Milaza tenim-pahendrena ny molotry ny olona mahay mandinika, Fa natao ho an\u2019ny lamosin\u2019ny tsy ampy saina kosa ny tsorakazo.",
        "14": "Mitahiry fahalalana ny hendry, Fa ny vavan\u2019ny adala kosa mahatonga azy ho ringana.",
        "15": "Ny harenan\u2019ny mpanankarena no miaro azy, toy ny tan\u00e0na misy manda, Fa ny fahantran\u2019ny sahirana kosa no mahavoa azy.",
        "16": "Hahazoana fiainana ny zavatra ataon\u2019ny olo-marina, Fa fahotana kosa no vokatry ny ataon\u2019ny ratsy fanahy.",
        "17": "Mitarika olona hanaraka ny lalan\u2019ny fiainana ny olona mihaino anatra, Fa izay tsy miraharaha anatra kosa mitarika olona hanaraka lalan-diso.",
        "18": "Mandainga izay mody tsy mankahala, Ary tsisy saina izay manely tsaho.",
        "19": "Izay be\u00a0resaka loatra dia tsy maintsy hanota amin\u2019izay lazainy, Fa malina kosa ny olona mahafehy ny vavany.",
        "20": "Hoatran\u2019ny volafotsy faran\u2019izay tsara ny lelan\u2019ny marina, Fa tsy dia misy vidiny kosa ny fon\u2019ny ratsy fanahy.",
        "21": "Mitari-dalana olona maro ny tenin\u2019ny olo-marina, Fa matin\u2019ny hadalany ihany ny tsisy saina.",
        "22": "Ny fitahian\u2019i Jehovah no mampanan-karena, Ary tsy ampiany fijaliana izany.",
        "23": "Amin\u2019ny tsisy saina, dia toy ny kilalao ny fitondran-tena mahamenatra, Fa natao ho an\u2019ny olona mahay mandinika kosa ny fahendrena.",
        "24": "Ny zavatra atahoran\u2019ny ratsy fanahy mihitsy no hanjo azy, Fa ho tanteraka kosa ny fanirian\u2019ny olo-marina.",
        "25": "Rehefa mandalo ny tafio-drivotra, dia tsy hisy intsony ny ratsy fanahy, Fa ny olo-marina kosa ho mafy orina mandrakizay.",
        "26": "Toy ny vinaingitra amin\u2019ny nify sy toy ny setroka amin\u2019ny maso, Dia hoatr\u2019izany koa ny kamo amin\u2019ny olona maniraka azy.",
        "27": "Ny tahotra an\u2019i Jehovah no mahela velona, Fa hohafohezina kosa ny taona iainan\u2019ny ratsy fanahy.",
        "28": "Mahafalifaly ny fanantenan\u2019ny olo-marina, Fa tsy ho tanteraka mihitsy ny zavatra antenain\u2019ny ratsy fanahy.",
        "29": "Manda fiarovana ho an\u2019ny tsy misy tsiny ny lalan\u2019i Jehovah, Fa fandringanana kosa izy io ho an\u2019ny ratsy fanahy.",
        "30": "Tsy ho lavo mihitsy ny olo-marina, Fa ny ratsy fanahy kosa tsy hisy eto an-tany intsony.",
        "31": "Milaza fahendrena ny vavan\u2019ny olo-marina, Fa hotapahina kosa ny lelan\u2019ny mpandainga.",
        "32": "Milaza teny mahafinaritra ny molotry ny olo-marina, Fa lainga no eo am-bavan\u2019ny ratsy fanahy."
    },
    "11": {
        "1": "Maharikoriko an\u2019i Jehovah ny mizana mandainga, Fa mahafaly azy kosa ny vatomizana marina.",
        "2": "Ho afa-baraka izay lasa manambony tena, Fa izay manetry tena no hendry.",
        "3": "Manao izay mahitsy foana ny olona tsy mivadika, Fa haringana kosa ny mpivadika satria zatra mametsifetsy.",
        "4": "Tsy hisy hilana azy ny harena amin\u2019ny andro fahatezerana, Fa ny fahamarinana kosa no hamonjy ny olona tsy ho faty.",
        "5": "Ny fahamarinan\u2019ny tsy misy tsiny no mahatonga azy hanaraka lala-mahitsy, Fa ny ratsy fanahy kosa ho lavo satria manao ratsy.",
        "6": "Ny fahamarinan\u2019ny olo-mahitsy no hamonjy azy, Fa ho voafandriky ny faniriany kosa ny mpivadika.",
        "7": "Foana ny fanantenan\u2019ny ratsy fanahy rehefa maty izy, Ary foana koa ny zavatra nantenainy hoe ho vitany amin\u2019ny heriny.",
        "8": "Vonjena amin\u2019ny fahoriana ny olo-marina, Ka ny ratsy fanahy indray no iharan\u2019izany.",
        "9": "Mitondra loza ho an\u2019ny namany ny tenin\u2019ny mpivadi-pinoana, Fa ny olo-marina kosa vonjena satria manana fahalalana.",
        "10": "Faly ny ao an-tan\u00e0na noho ny toetra tsaran\u2019ny olo-marina, Ary mihoby ny olona rehefa maty ny ratsy fanahy.",
        "11": "Lasa mandroso ny tan\u00e0na noho ny tsodranon\u2019ny olo-mahitsy, Fa rava kosa ilay izy noho ny tenin\u2019ny ratsy fanahy.",
        "12": "Manambanimbany ny namany ny olona tsy ampy saina, Fa mangina kosa ny olona mahay mandinika tsara.",
        "13": "Mandehandeha mamoaka tsiambaratelo ny mpanendrikendrika, Fa mitana tsiambaratelo kosa ny olona mendri-pitokisana.",
        "14": "Hijaly ny vahoaka raha tsy mahazo tari-dalana tsara, Fa hahomby kosa izay ataony raha maro ny mpanolo-tsaina.",
        "15": "Tsy maintsy hahita loza izay miantoka olona mindram-bola raha tsy fantany akory ilay olona, Fa hilamin-tsaina kosa izay tsy mety mifandray tanana mba hiantoka olona.",
        "16": "Mahazo voninahitra ny vehivavy mahafinaritra, Fa mandroba harena ny olona tsy misy antra.",
        "17": "Manao soa amin\u2019ny tenany ny olona tsara fanahy, Fa mampidi-kizo ny tenany kosa ny olona tia mampijaly.",
        "18": "Tsy tena karama no azon\u2019ny ratsy fanahy, Fa tena valisoa kosa no azon\u2019izay mamafy fahamarinana.",
        "19": "Hahazo fiainana ny olona miezaka manao ny marina, Fa ho faty izay tsy mieritreritra afa-tsy ny hanao ratsy.",
        "20": "Maharikoriko an\u2019i Jehovah ny olona fetsifetsy, Fa mahafinaritra azy kosa izay mandeha tsy misy tsiny.",
        "21": "Matokia fa tsy maintsy ho voasazy ny olon-dratsy, Fa ho afa-mandositra kosa ny zanaky ny olo-marina.",
        "22": "Hoatran\u2019ny kavim-bolamena eo amin\u2019ny oron-kisoa Ny vehivavy tsara tarehy nefa tsy misaina.",
        "23": "Mitondra soa ny fanirian\u2019ny olo-marina, Fa mampahatezitra kosa ny zavatra antenain\u2019ny ratsy fanahy.",
        "24": "Misy tia manome nefa vao mainka mihamanana, Fa misy tsy mahafoy manome zavatra tokony homena, nefa lasa mihamahantra.",
        "25": "Handeha tsara ny fiainan\u2019izay tia manome, Ary izay manome rano dia homena rano koa.",
        "26": "Hozonin\u2019ny olona izay tsy mety mivarotra vokatra, Fa homeny tsodrano kosa izay manaiky hivarotra vokatra.",
        "27": "Izay mazoto manao soa dia ankasitrahan\u2019ny olona, Fa izay mitetika ny hanao ratsy kosa tsy maintsy hiharan\u2019izay ratsy noeritreretiny ihany.",
        "28": "Ho lavo izay matoky ny harenany, Fa handrobona toy ny hazo midoroboka kosa ny olo-marina.",
        "29": "Hisambo-drivotra izay mampidi-kizo ny ankohonany, Ary ho mpanompon\u2019izay manana fo hendry ny tsisy saina.",
        "30": "Toy ny hazon\u2019aina ny vokatry ny ataon\u2019ny olo-marina, Ary hendry izay maharesy lahatra olona.",
        "31": "Raha ny olo-marina eto an-tany aza mahazo ny valin\u2019ny nataony, Koa mainka fa ny ratsy fanahy sy ny mpanota!"
    },
    "12": {
        "1": "Tia fahalalana izay tia anatra, Fa tsy misaina kosa izay mankahala fananarana.",
        "2": "Ankasitrahan\u2019i Jehovah ny olona tsara toetra, Fa melohiny kosa izay mitetika ny hanao ratsy.",
        "3": "Tsy hilamina ny fiainan\u2019izay olona manao ratsy, Fa ny olo-marina kosa hoatran\u2019ny hazo tsy mety voaongotra mihitsy.",
        "4": "Satroboninahitry ny vadiny ny vehivavy tsara toetra, Fa ny vehivavy manao zavatra manala baraka kosa toy ny lo mikiky ny taolan\u2019ny vadiny.",
        "5": "Ara-drariny ny hevitry ny olo-marina, Fa mamitaka kosa ny tari-dalana omen\u2019ny ratsy fanahy.",
        "6": "Mitovy amin\u2019ny fandrika mahafaty ny tenin\u2019ny ratsy fanahy, Fa ny tenin\u2019ny olo-marina kosa mamonjy azy.",
        "7": "Tsy hisy intsony ny ratsy fanahy rehefa ringana, Fa ho eo foana kosa ny ankohonan\u2019ny olo-marina.",
        "8": "Hoderaina ny olona mitandrina tsara an\u2019izay lazain\u2019ny vavany, Fa hatao tsinontsinona kosa ny olona fetsifetsy.",
        "9": "Aleo tsotsotra nefa manana mpanompo iray, Toy izay miseho ho ambony nefa tsy manan-kohanina.",
        "10": "Mikarakara ny biby fiompiny ny olo-marina, Fa tia mampijaly kosa ny ratsy fanahy, na dia mihevitra aza izy hoe mamindra\u00a0fo.",
        "11": "Ho voky hanina izay miasa ny taniny, Fa tsy ampy saina izay mikatsaka zava-poana.",
        "12": "Ny ratsy fanahy mitsiriritra ny zavatra azon\u2019ny olon-dratsy, Fa ny olo-marina kosa toy ny hazo mamaka tsara ka mamokatra.",
        "13": "Manota amin\u2019izay lazainy ny olon-dratsy ka voafandriky ny teniny ihany, Fa ny olo-marina kosa afaka amin\u2019ny fijaliana.",
        "14": "Mandray soa be dia be avy amin\u2019izay lazainy ny olona, Ary hahazo valisoa izy noho ny asan\u2019ny tanany.",
        "15": "Amin\u2019ny adala dia mety ny ataony, Fa ny hendry kosa manaiky torohevitra.",
        "16": "Ny adala no tonga\u00a0dia mampiseho hoe sosotra, Fa ny olona malina kosa tsy miraharaha esoeso.",
        "17": "Hilaza ny marina ny vavolombelona azo itokisana, Fa mamitaka kosa ny vavolombelona mandainga.",
        "18": "Manindrona hoatran\u2019ny sabatra ny teny tsy voahevitra, Fa manasitrana kosa ny tenin\u2019ny hendry.",
        "19": "Haharitra mandrakizay ny molotra milaza ny marina, Fa hiserana fotsiny ny lela zatra mandainga.",
        "20": "Fitaka no ao am-pon\u2019izay mitetika ny hanao ratsy, Fa falifaly kosa ny olona miezaka ny hampisy fihavanana.",
        "21": "Tsy mba haninona mihitsy ny olo-marina, Fa ho tototry ny loza kosa ny ratsy fanahy.",
        "22": "Maharikoriko an\u2019i Jehovah ny molotra mandainga, Fa mahafinaritra azy kosa ny olona tsy mivadika.",
        "23": "Tsy miresadresaka an\u2019izay zavatra fantany ny olona malina, Fa mamoaka ny hadalana rehetra ao am-pony kosa ny tsisy saina.",
        "24": "Hanam-pahefana ny olona mazoto, Fa hampanaovina asa an-terivozona kosa ny kamo.",
        "25": "Ny tebiteby ao am-pon\u2019ny olona no mahakivy azy, Fa ny teny mampahery kosa no mahafalifaly azy.",
        "26": "Ny olo-marina mitady an\u2019izay kijana tsara indrindra, Fa ny ratsy fanahy kosa lasa diso lalana noho ny ataony ihany.",
        "27": "Tsy mety mandeha mihaza ny kamo, Fa harena sarobidy ho an\u2019ny olona kosa ny fahazotoana.",
        "28": "Mitarika mankany amin\u2019ny fiainana ny lalan\u2019ny fahamarinana, Ary tsy mba misy fahafatesana ny lalana alehany."
    },
    "13": {
        "1": "Manaiky ny anatry ny rainy ny zanaka hendry, Fa tsy mety mihaino kosa ny mpanesoeso na dia tenenina mafy aza.",
        "2": "Handray soa avy amin\u2019izay lazainy ny olona, Fa tsy mieritreritra afa-tsy ny hampiasa herisetra kosa ny mpivadika.",
        "3": "Miaro ny ainy ny olona mahafehy ny vavany, Fa izay tsy mitandrina an\u2019izay lazainy kosa hahita loza.",
        "4": "Betsaka ny zavatra irin\u2019ny kamo, nefa mbola tsy manana na inona na inona ihany izy, Fa ho tanteraka daholo kosa izay irin\u2019ny mazoto.",
        "5": "Tena tsy tia lainga ny olo-marina, Fa mahamenatra sy manala baraka kosa ny ataon\u2019ny ratsy fanahy.",
        "6": "Ny fahamarinana no miaro an\u2019izay mandeha tsy misy tsiny, Fa ny ratsy ataon\u2019ny mpanota ihany no mahavoa azy.",
        "7": "Misy olona miseho ho manankarena nefa tsy manana na inona na inona akory, Fa misy indray mody mahantra nefa manankarem-be.",
        "8": "Ny harenan\u2019ny manankarena no omeny hanavotana ny ainy, Fa ny mahantra kosa tsy mba misy mandrahona.",
        "9": "Mamirapiratra be ny hazavan\u2019ny olo-marina, Fa ho faty kosa ny jiron\u2019ny ratsy fanahy.",
        "10": "Mampisy ady fotsiny ny olona sahisahy ratsy, Fa izay mangataka torohevitra kosa no hendry.",
        "11": "Hihena ny harena azo vetivety, Fa hitombo kosa ny harenan\u2019ny olona manangona tsikelikely.",
        "12": "Marary ny fo raha ela\u00a0be vao tanteraka ny zavatra antenaina, Fa hazon\u2019aina kosa ny faniriana rehefa tanteraka.",
        "13": "Izay tsy miraharaha toromarika dia hizaka ny vokany, Fa izay mankat\u00f2 ny didy no homena valisoa.",
        "14": "Loharanon\u2019aina ny fampianaran\u2019ny hendry, Ka miaro azy tsy ho azon\u2019ny fandriky ny fahafatesana.",
        "15": "Izay tena lalin-tsaina no ankasitrahan\u2019ny olona, Fa sarotra kosa ny lalan\u2019ny mpivadika.",
        "16": "Miezaka hahalala ny zava-drehetra ny olona malina vao manao zavatra, Fa ny adala kosa mampiseho ny hadalany rehetra.",
        "17": "Idiran-doza ny mpitondra\u00a0hafatra rehefa ratsy\u00a0fanahy, Fa manasitrana kosa ny iraka rehefa mendri-pitokisana.",
        "18": "Hahantra sy ho afa-baraka izay tsy miraharaha anatra, Fa homena voninahitra kosa izay manaiky hahitsy.",
        "19": "Mahafinaritra er\u1ef3 rehefa tanteraka ny faniriana, Fa halan\u2019ny olona tsisy saina ny miala amin\u2019ny ratsy.",
        "20": "Ho hendry izay miaraka amin\u2019ny hendry, Fa hahita loza kosa izay minamana amin\u2019ny tsisy saina.",
        "21": "Arahin\u2019ny loza avy ao aoriana ny mpanota, Fa ny fiadanana kosa no mamaly soa ny olo-marina.",
        "22": "Mamela lova ho an\u2019ny zafikeliny ny olona tsara toetra, Fa ny harenan\u2019ny mpanota kosa hotehirizina ho an\u2019ny olo-marina.",
        "23": "Voasa tsara ny tanimbolin\u2019ny mahantra ka mamokatra sakafo be dia\u00a0be, Saingy mety hisy haka tsy ara-drariny izany.",
        "24": "Izay mitsitsy ny tsorakazony dia tsy tia ny zanany, Fa izay tia azy kosa mazoto mananatra azy.",
        "25": "Misakafo ny olo-marina ka voky tsara, Fa ny kibon\u2019ny ratsy fanahy kosa noana."
    },
    "14": {
        "1": "Manamafy orina ny tokantranony ny vehivavy tena hendry, Fa mandrava ny tokantranony kosa ny vehivavy tsisy saina.",
        "2": "Matahotra an\u2019i Jehovah ny olona manao izay mahitsy, Fa manao tsinontsinona Azy kosa izay zatra mametsifetsy.",
        "3": "Ny teny an\u2019avona ataon\u2019ny adala dia toy ny tsorakazo fikapohana, Fa ny tenin\u2019ny hendry kosa hiaro ny tenany.",
        "4": "Madio ny fihinanam-bilona raha tsy misy omby, Fa be dia be kosa ny vokatra rehefa matanjaka ny omby.",
        "5": "Tsy handainga ny vavolombelona mendri-pitokisana, Fa ny vavolombelona mandainga kosa efa tranon-dainga mihitsy.",
        "6": "Miezaka mitady fahendrena ny mpanesoeso fa tsy mahita, Fa mora mahay kosa ny olona mahira-tsaina.",
        "7": "Ialao ny olona tsisy saina, Fa tsy hahazo fahalalana amin\u2019izay lazainy ianao.",
        "8": "Hendry ny olona malina ka mahalala an\u2019izay ataony, Fa ny adala kosa voafitaky ny hadalany.",
        "9": "Ihomehezan\u2019ny adala fotsiny ny fahadisoana vitany, Fa vonona hihavana kosa ny olona manao izay mahitsy.",
        "10": "Ny fon\u2019ny olona no mahatsapa ny alahelo ao anatiny, Ary tsy misy olon-kafa tena mahatsapa ny fifaliana ao anatiny.",
        "11": "Ho rava ny tranon\u2019ny ratsy fanahy, Fa ho mafy orina kosa ny tranolain\u2019ny olo-marina.",
        "12": "Misy lalana eritreretin\u2019ny olona hoe mety, Nefa any amin\u2019ny fahafatesana no hiafarany.",
        "13": "Na mihomehy aza ny olona dia mety ho ory izy ao am-pony\u00a0ao, Ary ny fifaliana dia mety hiafara amin\u2019ny alahelo.",
        "14": "Hijinja ny vokatry ny ataony ny olona mivadika, Fa hahazo valisoa noho ny ataony kosa ny olona tsara toetra.",
        "15": "Mino an\u2019izay teny rehetra henony ny olona mora fetsifetsena, Fa ny olona malina kosa mieritreritra tsara isaky ny hanao zavatra.",
        "16": "Mitandrina tsara ny hendry ka miala amin\u2019ny ratsy, Fa ny adala kosa tsy miraharaha mihitsy sady matoky tena loatra.",
        "17": "Manaonao foana ny olona mora tezitra, Fa izay mandinika tsara kosa ankahalain\u2019ny olona.",
        "18": "Hadalana no ho anjara lovan\u2019ny olona mora fetsifetsena, Fa fahalalana kosa no satroboninahitry ny olona malina.",
        "19": "Tsy maintsy hiankohoka eo anatrehan\u2019ny tsara toetra ny olon-dratsy, Ary hiankohoka eo am-bavahadin\u2019ny olo-marina ny ratsy fanahy.",
        "20": "Ankahalain\u2019ny olona ny mahantra, ka na ny namany aza mankahala azy, Fa be namana be kosa ny mpanankarena.",
        "21": "Manota izay manao tsinontsinona ny namany, Fa sambatra izay mangoraka ny mahantra.",
        "22": "Tsy ho diso lalana ve izay mitetika ny hanao ratsy? Izay tapa-kevitra hanao ny tsara kosa ho tian\u2019ny olona foana sady tsy hivadihany.",
        "23": "Ahazoana tombony foana ny asa mafy rehetra, Fa hahantra kosa izay be\u00a0resaka fotsiny.",
        "24": "Ny harenan\u2019ny hendry no satroboninahiny, Fa ny hadalan\u2019ny adala kosa tsy miala aminy mihitsy.",
        "25": "Mamonjy ain\u2019olona ny vavolombelona milaza ny marina, Fa ny vavolombelona mamitaka kosa efa tranon-dainga mihitsy.",
        "26": "Tena feno toky ny olona matahotra an\u2019i Jehovah, Ka ho fialofana ho an\u2019ny zanany koa izany tahotra izany.",
        "27": "Loharanon\u2019aina ny fahatahorana an\u2019i Jehovah, Ka miaro ny olona tsy ho azon\u2019ny fandriky ny fahafatesana.",
        "28": "Voninahitra ho an\u2019ny mpanjaka ny manana vahoaka be dia\u00a0be, Fa rava ny fanjakan\u2019izay mpitondra tsy manana vahoaka.",
        "29": "Ny olona tsy mora tezitra dia mahay mandinika tsara, Fa ny olona tsy manam-paharetana kosa mampiseho ny hadalany.",
        "30": "Mahasalama ny vatana ny fo tony, Fa mahatonga ny taolana ho lo kosa ny fialonana.",
        "31": "Izay manambaka ny tsy manana dia manao tsinontsinona ny Mpanao azy, Fa manome voninahitra Azy kosa izay mangoraka ny mahantra.",
        "32": "Ho lavo noho ny ratsy nataony ihany ny ratsy fanahy. Ny olo-marina anefa hahita fialofana satria tsy mivadika.",
        "33": "Ao am-pon\u2019ny mahira-tsaina ny fahendrena nefa aleony mangina, Fa ny tsisy saina kosa mampideradera an\u2019izay zavatra fantany.",
        "34": "Ny fahamarinana no mahatonga ny fanjakana hahazo voninahitra, Fa ny ota kosa manala baraka ny vahoaka.",
        "35": "Tian\u2019ny mpanjaka ny mpanompo lalin-tsaina, Fa tezitra amin\u2019ny mpanompo manala baraka kosa izy."
    },
    "15": {
        "1": "Mampitony hatezerana mafy ny valin-teny malefaka, Fa ny teny henjana kosa vao mainka mampahatezitra.",
        "2": "Mahay mampiasa tsara ny fahalalana ananany ny lelan\u2019ny hendry, Fa mamoaka hadalana kosa ny vavan\u2019ny adala.",
        "3": "Mijery eny rehetra eny ny mason\u2019i Jehovah, Ka dinihiny daholo na ny ratsy toetra na ny tsara\u00a0toetra.",
        "4": "Hazon\u2019aina ny tenin\u2019ny olona tony, Fa mahakivy kosa ny teny mamitaka.",
        "5": "Tsy miraharaha ny anatry ny rainy ny tsisy\u00a0saina, Fa manaiky hahitsy kosa ny malina.",
        "6": "Misy harena be dia\u00a0be ao an-tranon\u2019ny olo-marina, Fa mampidi-kizo ny ratsy fanahy kosa ny tombony azony.",
        "7": "Mampiely fahalalana ny molotry ny hendry, Fa tsy mba hoatr\u2019izany ny fon\u2019ny adala.",
        "8": "Maharikoriko an\u2019i Jehovah ny sorona ataon\u2019ny ratsy fanahy, Fa mahafinaritra azy kosa ny vavaky ny olona manao izay mahitsy.",
        "9": "Maharikoriko an\u2019i Jehovah ny fanaon\u2019ny ratsy fanahy, Fa tiany kosa izay miezaka manao ny marina foana.",
        "10": "Tsy tian\u2019ny olona mivily lalana ny hoe ahitsy. Ho faty anefa izay mankahala fananarana.",
        "11": "Na ny Fasana sy ny toerana mahal\u00f2 ny nofo aza tsy misy miafina amin\u2019i Jehovah, Koa mainka fa ny ao am-pon\u2019ny olombelona!",
        "12": "Tsy tian\u2019ny mpanesoeso ny olona manitsy azy, Ary tsy hanontany ny hendry izy.",
        "13": "Miramirana ny endrika rehefa falifaly ny\u00a0fo, Fa kivy kosa ny olona rehefa malahelo ny fony.",
        "14": "Mitady fahalalana ny fon\u2019ny mahira-tsaina, Fa hadalana kosa no ankafizin\u2019ny vavan\u2019ny tsisy saina.",
        "15": "Manjombona foana ny andron\u2019ny olona malahelo, Fa hoatran\u2019ny manao fety foana kosa ny olona manana fo\u00a0falifaly.",
        "16": "Aleo tsy dia manana firy nefa matahotra an\u2019i Jehovah, Toy izay manankarem-be nefa mitebiteby lava.",
        "17": "Aleo mihinana anana ao anatin\u2019ny fifankatiavana, Toy izay mihinana hena matavy ao anatin\u2019ny fifankahalana.",
        "18": "Mampisy ady izay mora tezitra, Fa mampitsahatra fifamaliana kosa ny olona tsy mora\u00a0tezitra.",
        "19": "Hoatran\u2019ny hoe misy fefy tsilo ny lalan\u2019ny kamo, Fa toy ny lalambe tsy misy mikitoantoana kosa ny lalan\u2019ny olo-marina.",
        "20": "Mampifaly ny rainy ny zanaka hendry, Fa ny adala kosa manao tsinontsinona ny reniny.",
        "21": "Mahafaly ny tsy ampy saina ny hadalana, Fa mandeha mahitsy kosa ny olona mahay mandinika.",
        "22": "Tsy tanteraka izay kasaina hatao raha tsy maka hevitra amin\u2019olona, Fa tanteraka kosa izany rehefa be dia\u00a0be ny mpanoro hevitra.",
        "23": "Faly ny olona rehefa mahay mamaly, Ary tsara er\u1ef3 ny teny lazaina amin\u2019ny fotoana mety!",
        "24": "Miaka-piakarana ny lalin-tsaina rehefa mandeha amin\u2019ny lalana mankany amin\u2019ny fiainana, Mba tsy hidinany any amin\u2019ny Fasana any ambany.",
        "25": "Horavan\u2019i Jehovah ny tranon\u2019izay manambony tena, Fa harovany kosa ny faritry ny tanin\u2019ny mpitondratena.",
        "26": "Maharikoriko an\u2019i Jehovah ny tetiky ny ratsy fanahy, Fa madio eo imasony kosa ny teny mahafinaritra.",
        "27": "Mampidi-kizo ny ankohonany ny olona mitady tombony amin\u2019ny tsy marina, Fa ho ela velona kosa izay tsy tia kolikoly.",
        "28": "Mieritreritra tsara ny olo-marina vao mamaly, Fa mamoaka zava-dratsy kosa ny vavan\u2019ny ratsy fanahy.",
        "29": "Lavitra ny ratsy fanahy i Jehovah, Fa henoiny kosa ny vavaky ny olo-marina.",
        "30": "Mahafaly ny fo ny endrika miramirana, Ary mampahatanjaka ny taolana ny tatitra tsara.",
        "31": "Ahazoana fiainana ny anatra, ka izay mihaino an\u2019izany Dia anisan\u2019ny olona hendry.",
        "32": "Manao tsinontsinona ny ainy izay tsy manaiky anatra, Fa lasa mahira-tsaina kosa izay mihaino anatra.",
        "33": "Manampy ny olona hahazo fahendrena ny tahotra an\u2019i Jehovah, Ary hahazo voninahitra izay manetry tena."
    },
    "16": {
        "1": "Omanin\u2019ny olona ao am-pony ny teny holazainy, Fa avy amin\u2019i Jehovah kosa ny valin-teny omeny.",
        "2": "Heverin\u2019ny olona hoe mety daholo izay ataony, Fa i Jehovah kosa mandinika ny antony anaovany an\u2019izany.",
        "3": "Ankino amin\u2019i Jehovah daholo izay ataonao, Dia hahomby izay kasainao hatao.",
        "4": "Nataon\u2019i Jehovah hanatanterahana ny fikasany ny zava-drehetra, Ka na ny ratsy fanahy aza haringana, amin\u2019ny andro hahitana loza.",
        "5": "Maharikoriko an\u2019i Jehovah izay rehetra manana fo mirehareha. Matokia fa tsy maintsy ho voasazy ny olona hoatr\u2019izany.",
        "6": "Ny fitiavana sy tsy fivadihana no andrakofana fahadisoana, Ary izay matahotra an\u2019i Jehovah dia miala amin\u2019ny ratsy.",
        "7": "Rehefa mahafinaritra an\u2019i Jehovah ny ataon\u2019ny olona, Dia ataony mihavana aminy na dia ny fahavalony aza.",
        "8": "Aleo kely azo tamin\u2019ny marina, Toy izay be dia be azo tamin\u2019ny tsy rariny.",
        "9": "Mety ho efa mandamina tsara an\u2019izay hataony ny olona, ao am-pony\u00a0ao, Nefa i Jehovah no mitarika ny diany.",
        "10": "Didim-pitsarana avy amin\u2019Andriamanitra no tokony holazain\u2019ny mpanjaka, Ary tsy tokony hamadika ny rariny mihitsy izy.",
        "11": "Avy amin\u2019i Jehovah ny fandanjana marina sy ny mizana marina. Avy aminy daholo koa ny vatomizana ao anaty kitapo.",
        "12": "Maharikoriko ny mpanjaka ny fanao ratsy, Satria ny fahamarinana no manamafy orina ny seza fiandrianany.",
        "13": "Mahafinaritra ny mpanjaka ny olona milaza ny marina, Ary tiany ny olona mitsotra ny marina.",
        "14": "Toy ny olona nirahina hamono olona ho faty ny hatezeran\u2019ny mpanjaka, Fa ny hendry kosa mahay mampitony an\u2019izany.",
        "15": "Ho sambatra izay ankasitrahan\u2019ny mpanjaka, Satria hoatran\u2019ny rahona mitondra orana amin\u2019ny lohataona ny fankasitrahany.",
        "16": "Aleo mahazo fahendrena toy izay mahazo volamena, Ary aleo lasa mahira-tsaina toy izay mahazo volafotsy.",
        "17": "Halavirin\u2019ny olo-marina ny ratsy, Ary izay mitandrina tsara an\u2019izay ataony dia miaro ny ainy.",
        "18": "Ho lavo izay mirehareha, Ary hianjera izay manambony tena.",
        "19": "Aleo manetry tena miaraka amin\u2019ny mpandefitra, Toy izay mifampizara harena amin\u2019ny olona manambony tena.",
        "20": "Hahomby ny olona mandinika tsara an\u2019izay ataony, Ary sambatra izay matoky an\u2019i Jehovah.",
        "21": "Izay manana fo hendry no hatao hoe mahira-tsaina, Ary izay manao teny mahafinaritra no maharesy lahatra olona.",
        "22": "Raha lalin-tsaina ny olona, dia loharanon\u2019aina ho azy izany, Fa ny tsisy saina kosa faizin\u2019ny hadalany ihany.",
        "23": "Ny fon\u2019ny hendry mahatonga azy hifidy tsara an\u2019izay hoteneniny, Ka maharesy lahatra olona ny zavatra lazainy.",
        "24": "Toho-tantely ny teny mahafinaritra, Ka sady mamy no manasitrana ny taolana.",
        "25": "Misy lalana eritreretin\u2019ny olona hoe mety, Nefa any amin\u2019ny fahafatesana no hiafarany.",
        "26": "Mikely aina miasa mafy ny mpiasa satria te hihinan-kanina. Miasa mafy mantsy izy satria noana.",
        "27": "Zava-dratsy no fongarin\u2019ny olona tsy misy ilana azy, Ary toy ny afo mandoro ny teniny.",
        "28": "Mampisy ady fotsiny ny mpanakorontana, Ary mampisaraka ny mpinamana\u00a0be ny mpanendrikendrika.",
        "29": "Mitaona ny namany hanao ratsy ny olona tia herisetra, Sady mitarika azy any amin\u2019ny lalan-diso.",
        "30": "Mipy maso izy rehefa mitetika hanao ratsy, Dia manaiki-molotra rehefa manatanteraka ny sain-dratsiny.",
        "31": "Satroboninahitra tsara tarehy ny volofotsy, Raha ao amin\u2019ny lalan\u2019ny fahamarinana no ahazoana azy.",
        "32": "Aleo olona tsy mora tezitra toy izay lehilahy matanjaka, Ary aleo olona mahafehy tena toy izay olona mahazo tan\u00e0na ho babo.",
        "33": "Eo am-pofoana no anaovana antsapaka, Fa an\u2019i Jehovah kosa ny fanapahan-kevitra rehetra amin\u2019izany."
    },
    "17": {
        "1": "Aleo sombi-mofo maina hohanina ao amin\u2019izay misy fihavanana, Toy izay trano misy fety be nefa misy fifamaliana.",
        "2": "Ny mpanompo lalin-tsaina no hifehy ny zanaka manala baraka. Hahazo anjara lova koa izy, hoatran\u2019ny zanaky ny tompony ihany.",
        "3": "Natao ho an\u2019ny volafotsy ny vilany fanadiovana metaly, ary ho an\u2019ny volamena ny fatana fandrendrehana, Fa i Jehovah kosa no mpandinika ny fo.",
        "4": "Mihaino fosafosa ny ratsy fanahy, Ary mihaino fanaratsiana ny mpamitaka.",
        "5": "Izay manesoeso ny mahantra dia manao tsinontsinona ny Mpanao azy, Ary izay faly amin\u2019ny fahavoazan\u2019ny hafa dia tsy maintsy ho voasazy.",
        "6": "Satroboninahitry ny be\u00a0taona ny zafikeliny, Ary voninahitry ny zanakalahy ny rainy.",
        "7": "Tsy mendrika ny hilaza ny marina ny tsisy saina, Ary vao mainka tsy mendrika ny handainga ny mpitondra.",
        "8": "Amin\u2019ny tompony, dia toy ny vatosoa ny fanomezana, Ka na aiza na aiza alehany, dia lasa mety daholo izay ataony.",
        "9": "Izay mamela fahadisoana dia mitady fitiavana, Fa izay mbola miresadresaka an\u2019ilay fahadisoana kosa mampisaraka ny mpinamana\u00a0be.",
        "10": "Ny teny henjana atao indray mandeha amin\u2019ny mahira-tsaina dia mandaitra kokoa Noho ny kapoka injato amin\u2019ny tsisy saina.",
        "11": "Tsy mitady afa-tsy ny hikomy ny olon-dratsy, Nefa hisy olona tsy misy antra hirahina hanasazy azy.",
        "12": "Aleo mifanena amin\u2019ny orsa very zanaka, Toy izay mifanena amin\u2019ny olona tsisy saina mampiseho ny hadalany.",
        "13": "Izay mamaly ratsy ny soa natao taminy, Dia tsy hialan\u2019ny ratsy koa ny ao an-tranony.",
        "14": "Hoatran\u2019ny mamaky fefiloha izay mila ady, Koa mial\u00e0 dieny mbola tsy raikitra ny fifamaliana.",
        "15": "Samy maharikoriko an\u2019i Jehovah, Na izay manafaka madiodio ny ratsy fanahy, na izay manameloka ny olo-marina.",
        "16": "Inona moa ny soa azon\u2019ny tsisy saina raha afaka mahazo fahendrena izy, Nefa izy aza tsy te hahazo an\u2019izany akory?",
        "17": "Tia amin\u2019ny fotoana rehetra ny tena namana, Sady tena rahalahy natao hanampy amin\u2019ny fotoan-tsarotra.",
        "18": "Mifandray tanana amin\u2019ny olona ny tsy ampy saina, Ka manaiky eo imason\u2019ny namany hoe hiantoka olona mindram-bola.",
        "19": "Tia manao fahadisoana izay tia ady, Ary mitady loza izay manangana vavahady avo.",
        "20": "Tsy hahomby izay manana fo\u00a0fetsifetsy, Ary hahita loza izay mamitapitaka.",
        "21": "Halahelo ny ray miteraka zaza tsisy saina, Ary tsy ho faly mihitsy ny rain\u2019ny zaza tsy ampy saina.",
        "22": "Fanafody tena mandaitra ny fo falifaly, Fa mandany hery kosa ny hakiviana.",
        "23": "Mandray kolikoly mangingina ny ratsy fanahy Mba hamadihana ny rariny.",
        "24": "Mifantoka amin\u2019ny fahendrena foana ny mason\u2019ny mahira-tsaina, Fa ny mason\u2019ny tsisy saina kosa mandehandeha hatrany amin\u2019ny faran\u2019ny tany.",
        "25": "Manao izay hampalahelo ny rainy ny zanaka tsisy saina, Sady mankarary ny fon\u2019ny reny niteraka azy.",
        "26": "Tsy tsara ny manasazy olo-marina, Ary tsy mety ny mamely olona manan-kaja amin\u2019ny karavasy.",
        "27": "Mahafehy ny vavany ny olona manam-pahalalana, Ary ho tony foana ny olona mahay mandinika.",
        "28": "Na ny adala aza rehefa mangina, dia hoheverina hoe hendry, Ary hoheverina hoe mahay mandinika izay manakombona ny vavany."
    },
    "18": {
        "1": "Izay mitokantokana dia tsy mitady afa-tsy izay tiany fotsiny, Ka laviny daholo rehefa mety ho fahendrena.",
        "2": "Tsy tian\u2019ny tsisy saina ny ho lasa mahira-tsaina, Fa aleony mamoaka ny ao am-pony.",
        "3": "Rehefa tonga ny ratsy fanahy, dia misy koa ny fanaovana tsinontsinona, Ary miaraka amin\u2019ny fahafaham-baraka ny henatra.",
        "4": "Rano lalina ny teny lazain\u2019ny vavan\u2019ny olona, Ary rano miboiboika ny loharanom-pahendrena.",
        "5": "Tsy tsara raha ny ratsy fanahy indray no iangarana, Na hoe ny olo-marina indray no tsy omena rariny.",
        "6": "Mahatonga fifamaliana ny tenin\u2019ny tsisy saina, Ary ny vavany no mahatonga azy ho voakapoka.",
        "7": "Ny tenin\u2019ny tsisy saina no mampidi-kizo azy. Fandrika ho an\u2019ny ainy koa ny zavatra lazainy.",
        "8": "Ny tenin\u2019ny mpanendrikendrika dia hoatran\u2019ny sakafo matsiro, Ka tonga dia midina any an-kibo.",
        "9": "Izay kamo miasa, Dia rahalahin\u2019ny mpandrava.",
        "10": "Ny anaran\u2019i Jehovah dia tilikambo mafy. Mihazakazaka mankao ny olo-marina ka voaro.",
        "11": "Amin\u2019ny mpanankarena dia toy ny tan\u00e0na voaro mafy ny harenany. Heveriny hoe manda fiarovana izany.",
        "12": "Ho lavo izay manambony tena, Ary hahazo voninahitra izay manetry tena.",
        "13": "Izay mamaly nefa mbola tsy nihaino akory, Dia tsisy saina sady ho afa-baraka.",
        "14": "Zakan\u2019ny olona matanja-tsaina ny aretiny, Fa iza kosa no mahazaka ny hakiviana?",
        "15": "Miezaka hahazo fahalalana ny fon\u2019ny mahira-tsaina, Ary te hihaino fahalalana ny sofin\u2019ny hendry.",
        "16": "Ny fanomezana ataon\u2019ny olona dia manokatra lalana ho azy, Ka mahatonga azy ho afaka hankeo anatrehan\u2019ny olona ambony.",
        "17": "Hoatran\u2019ny hoe izay miteny voalohany no marina, Mandra-pahatongan\u2019ny ankilany, izay manadihady tsara azy.",
        "18": "Mampitsahatra fifandirana ny antsapaka, Sady mamaha olana eo amin\u2019ny mpifahavalo samy matanjaka.",
        "19": "Sarotra kokoa noho ny mandresy tan\u00e0na voaro mafy ny mampitony rahalahy tezitra, Ary mampisaraka olona ny fifandirana, toy ny bara\u00a0vy hidim-bavahadin\u2019ny tan\u00e0na misy manda.",
        "20": "Ho vokin\u2019ny teniny ny kibon\u2019ny olona, Ary ho vokin\u2019ny teny avoakan\u2019ny molony izy.",
        "21": "Samy vitan\u2019ny lela na ny mamono na ny mamelona. Izay tia mampiasa azy dia hijinja ny vokany.",
        "22": "Izay mahita vady tsara dia mahazo zava-tsoa, Sady ankasitrahan\u2019i Jehovah.",
        "23": "Mitalaho ny mahantra rehefa miteny, Fa mitrerona azy kosa ny mpanankarena.",
        "24": "Misy mpinamana vonona hifamotika, Fa misy kosa namana mifikitra noho ny rahalahy aza."
    },
    "19": {
        "1": "Aleo mahantra nefa tsy mivadika, Toy izay tsisy saina sady mpandaingalainga.",
        "2": "Tsy tsara raha tsy manam-pahalalana ny olona, Ary manota izay maimaika loatra.",
        "3": "Ny hadalan\u2019ny olona ihany no manimba ny fiainany, Ka amin\u2019i Jehovah no tezitra ny fony.",
        "4": "Ny harena no mahatonga ny olona ho be\u00a0namana, Fa ny mahantra kosa, na ny namany aza handao azy.",
        "5": "Tsy maintsy ho voasazy ny vavolombelona mandainga, Ary tsy ho afa-maina ny olona efa tranon-dainga.",
        "6": "Maro no mila sitraka amin\u2019ny olona ambony, Ary naman\u2019izay tia manao fanomezana ny olona rehetra.",
        "7": "Na ny rahalahin\u2019ny mahantra aza mankahala azy daholo, Koa mainka moa fa ny namany! Mba mitalaho sy mangataka amin\u2019ireny izy, saingy tsy misy mihaino azy.",
        "8": "Tia ny tenany izay miezaka hisaina tsara, Ary hahomby izay mihevitra hoe sarobidy ny fahaiza-mandinika.",
        "9": "Tsy maintsy ho voasazy ny vavolombelona mandainga, Ary ho ringana ny olona efa tranon-dainga.",
        "10": "Tsy mendrika ny hanana fiainana mirenty ny tsisy saina, Ary vao mainka tsy mendrika ny hibaiko andriana ny mpanompo!",
        "11": "Mahatsindry fo ny olona lalin-tsaina, Ary voninahitra ho azy ny mamela fahadisoana.",
        "12": "Hoatran\u2019ny liona mierona ny mpanjaka rehefa tezitra\u00a0be, Fa toy ny ando eo amin\u2019ny ahitra kosa ny fankasitrahany.",
        "13": "Mitondra fahoriana ho an\u2019ny rainy ny zanaka tsisy saina, Ary toy ny tafo mitete tsy an-kijanona ny vehivavy tia ady.",
        "14": "Trano sy harena no lova avy amin\u2019ny ray, Fa vady malina kosa no fanomezana avy amin\u2019i Jehovah.",
        "15": "Mahatonga torimaso lalina ny hakamoana, Ary ho noana ny olona malaina.",
        "16": "Izay mankat\u00f2 ny didy dia miaro ny ainy, Fa ho faty kosa ny olona tsy mba miraharaha izay ataony.",
        "17": "Izay miantra ny mahantra dia mampisambotra an\u2019i Jehovah, Ka Izy no hamaly ny soa nataony.",
        "18": "Faizo ny zanakao dieny mbola misy fanantenana, Ary tandremo sao ho lasa tompon\u2019andraikitra amin\u2019ny fahafatesany ianao.",
        "19": "Handoa sazy izay mora tezitra. Raha arovanao izy, dia ho voatery hiaro azy foana ianao.",
        "20": "Henoy ny torohevitra ary raiso ny anatra, Mba ho hendry ianao amin\u2019ny hoavy.",
        "21": "Maro ny zavatra kasain\u2019ny olona hatao, Fa ny fikasan\u2019i Jehovah ihany no ho tanteraka.",
        "22": "Tian\u2019ny olona izay be\u00a0fitiavana sy tsy mivadika, Ary aleo lasa mahantra toy izay lasa mpandainga.",
        "23": "Mitarika mankany amin\u2019ny fiainana ny fahatahorana an\u2019i Jehovah. Hatory tsara izay matahotra Azy, fa tsy ho tratran\u2019ny loza.",
        "24": "Mangarona ny ao anaty vilia baolina ny kamo, Nefa na ny hampakatra an\u2019ilay tanany ho ao am-bavany aza mahakamo azy.",
        "25": "Kapohy ny mpanesoeso mba ho malina izay mbola tsy dia nahita fiainana. Ary anaro ny mahira-tsaina mba hitombo ny fahalalany.",
        "26": "Izay mampijaly ny rainy sy mandroaka ny reniny, Dia zanaka mahamenatra sy manala baraka.",
        "27": "Raha tsy mihaino anatra intsony ianao, anaka, Dia hiala amin\u2019ny lalan\u2019ny fahalalana.",
        "28": "Manao tsinontsinona ny rariny ny vavolombelona tsy misy ilana azy. Ary amin\u2019ny ratsy fanahy, dia mahafinaritra hoatran\u2019ny misakafo ny manao ratsy.",
        "29": "Didim-pitsarana no miandry ny mpanesoeso, Ary hokapohina ny lamosin\u2019ny tsisy saina."
    },
    "20": {
        "1": "Tsy manaja tena izay mamon\u2019ny divay, ary tsy mahafehy tena izay mamon\u2019ny toaka. Tsy hendry izay voavilin\u2019ireny satria manaonao foana.",
        "2": "Atahorana hoatran\u2019ny liona mierona ny mpanjaka, Ka mety hamoy ny ainy izay mampahatezitra azy.",
        "3": "Voninahitra ho an\u2019ny olona ny mifehy tena tsy hifamaly, Fa ny tsisy saina rehetra kosa miditra amin\u2019ilay fifamaliana.",
        "4": "Tsy miasa tany ny kamo amin\u2019ny ririnina, Ka hangataka izy amin\u2019ny fotoam-pijinjana rehefa tsy manana na inona na inona.",
        "5": "Toy ny rano lalina ny hevitra ao am-pon\u2019ny olona, Fa mahay manovo an\u2019izany izay mahay mandinika.",
        "6": "Be dia be no milaza hoe tia sy tsy mivadika, Saingy sarotra ny mahita olona azo itokisana.",
        "7": "Tsy mivadika ny olo-marina, Ary sambatra izay zanany mandimby azy.",
        "8": "Rehefa mipetraka eo amin\u2019ny seza fiandrianana ny mpanjaka mba hitsara, Dia hain\u2019ny masony ny manavaka ny ratsy rehetra.",
        "9": "Iza no afaka milaza hoe: \u201cEfa nanadio ny foko aho, Ka madio tsy misy ota\u201d?",
        "10": "Samy maharikoriko an\u2019i Jehovah, Na ny vatomizana mandainga na ny famarana tsy marina.",
        "11": "Na ny ankizikely aza dia hita amin\u2019ny ataony Raha madio sy mety ny fanaony.",
        "12": "Na ny sofina mandre na ny maso mahita, Dia samy nataon\u2019i Jehovah.",
        "13": "Aza tia torimaso, sao ianao ho lasa mahantra. Sokafy ny masonao, dia ho voky sakafo ianao.",
        "14": "\u201cTsisy ilana an\u2019io! Tsisy ilana an\u2019io!\u201d, hoy ny mpividy. Dia lasa izy avy eo sady mirehareha.",
        "15": "Mety hanana volamena sy haran-dranomasina be dia\u00a0be ny olona, Fa ny molotra mampita fahalalana anefa no tena sarobidy.",
        "16": "Raha niantoka olona tsy fantany ny olona iray, dia alaivo ny akanjony. Raha niantoka vehivavy hafa firenena izy, dia alaivo ny antoka nomeny.",
        "17": "Matsiro amin\u2019ny olona ny sakafo azo tamin\u2019ny fitaka, Nefa avy eo ho feno vatokely ao am-bavany.",
        "18": "Hahomby izay kasaina hatao raha maka hevitra amin\u2019olona, Ary tari-dalana tsara no ilainao rehefa handeha hiady.",
        "19": "Mandehandeha mamoaka tsiambaratelo ny mpanendrikendrika. Aza miarakaraka amin\u2019ny olona tia fosafosa.",
        "20": "Izay manozona ny rainy sy ny reniny, Dia ho faty ny jirony rehefa tonga ny alina.",
        "21": "Raha fitiavan-karena no nahazoana lova tamin\u2019ny voalohany, Dia tsy hahazoana fitahiana izany amin\u2019ny farany.",
        "22": "Aza miteny hoe: \u201cHandeha hamaly faty aho!\u201d Aoka ianao hanantena an\u2019i Jehovah, dia hamonjy anao izy.",
        "23": "Maharikoriko an\u2019i Jehovah ny vatomizana mandainga, Ary tsy tsara ny mizana mamitaka.",
        "24": "I Jehovah no mitarika ny dian\u2019ny olona; Fa ahoana moa no ahafantaran\u2019ny olona an\u2019izay lalana tokony halehany?",
        "25": "Fandrika ho an\u2019ny olona ny maimaika hanao voady hoe: \u201cMasina!\u201d, Ka efa at\u1ef3 aoriana izy vao mandinika an\u2019ilay voady nataony.",
        "26": "Avahan\u2019ny mpanjaka hendry ny ratsy fanahy, Ka hosihoseny amin\u2019ny kodiaram-by.",
        "27": "Ny fofonain\u2019ny olona no jiron\u2019i Jehovah Hitsilovana ny hatrany anatin\u2019ny fony.",
        "28": "Voaro ny mpanjaka raha be\u00a0fitiavana sy tsy mivadika ary mitana ny teniny. Maharitra eo amin\u2019ny seza fiandrianany izy raha be\u00a0fitiavana sy tsy mivadika.",
        "29": "Voninahitry ny tanora ny tanjany, Fa voninahitry ny zokiolona kosa ny volofotsiny.",
        "30": "Ny ratra sy ny mangana no manala ny toetra ratsy rehetra, Ary ny kapoka no manadio ny hatrany anatin\u2019ny\u00a0fo."
    },
    "21": {
        "1": "Hoatran\u2019ny renirano eo an-tanan\u2019i Jehovah ny fon\u2019ny mpanjaka, Ka aviliny hankany amin\u2019izay tiany.",
        "2": "Heverin\u2019ny olona hoe mety daholo izay ataony, Fa i Jehovah kosa mandinika ny fo.",
        "3": "Ny manao ny rariny sy ny hitsiny, No tian\u2019i Jehovah kokoa noho ny manao sorona.",
        "4": "Ny maso mianjonanjona sy ny fo mirehareha no jiro manazava ny ratsy fanahy, Ary fahotana daholo izany.",
        "5": "Mandamina mialoha an\u2019izay hataony ny mazoto, ka mahomby, Fa hahantra kosa izay rehetra maimaika.",
        "6": "Ny harena azo amin\u2019ny lainga, Dia toy ny zavona miserana sy fandrika mahafaty.",
        "7": "Ny herisetra ataon\u2019ny ratsy fanahy no haharingana azy, Satria tsy mety manao ny rariny izy.",
        "8": "Miolakolaka ny lalan\u2019ny olo-meloka, Fa manao izay mahitsy kosa ny olona tsy manan-tsiny.",
        "9": "Aleo mipetraka eny an-joron\u2019ny tafontrano, Toy izay miray trano amin\u2019ny vehivavy tia ady.",
        "10": "Ny ratsy foana no tian\u2019ny ratsy fanahy, Ary tsy mba mangoraka ny namany izy.",
        "11": "Ho hendry kokoa izay mbola tsy dia nahita fiainana, rehefa sazina ny mpanesoeso, Ary hahazo fahalalana ny hendry rehefa lasa lalin-tsaina.",
        "12": "Dinihin\u2019Ilay Marina ny ankohonan\u2019ny ratsy fanahy, Ka ataony mahita loza.",
        "13": "Izay manampin-tsofina tsy hihaino ny fitarainan\u2019ny mahantra, Dia tsy hohenoina koa rehefa miantso.",
        "14": "Mampitony hatezerana ny fanomezana omena mangingina, Ary mampitony an\u2019izay tezitra\u00a0be ny kolikoly atao ao amin\u2019ny miafina.",
        "15": "Mahafaly ny olo-marina ny manao ny rariny, Fa maharikoriko an\u2019izay zatra manao ratsy kosa izany.",
        "16": "Izay miala amin\u2019ny lalan\u2019ny fahiratan-tsaina, Dia hiala sasatra miaraka amin\u2019ireo maty tsy mahavita na inona na inona.",
        "17": "Hahantra izay tia miala voly, Ary tsy hanan-karena izay tia divay sy menaka.",
        "18": "Ny ratsy fanahy no omena hanavotana ny olo-marina, Ary ny mpivadika no hatao solon\u2019ny olo-marina.",
        "19": "Aleo mipetraka any an-tany efitra, Toy izay miray trano amin\u2019ny vehivavy tia ady sady kizitina.",
        "20": "Harena sarobidy sy menaka no hita ao an-tranon\u2019ny hendry, Fa ny adala kosa mandanilany ny fananany.",
        "21": "Izay miezaka hanao ny marina foana sy ho be\u00a0fitiavana ary tsy hivadika, Dia hahazo fiainana sy fahamarinana ary voninahitra.",
        "22": "Vitan\u2019ny hendry ny mananika ny tan\u00e0nan\u2019ny olona matanjaka, Sy mamotika ny fiarovana mafy itokisan\u2019izy ireny.",
        "23": "Miaro ny tenany tsy hidi-kizo Ny olona mitandrina an\u2019izay lazain\u2019ny vavany.",
        "24": "Olona mirehareha sy sahisahy ratsy ary mizahozaho No iantsoana an\u2019izay tsy mba mandinika fa sahisahy loatra.",
        "25": "Ny zavatra irin\u2019ny kamo no hahafaty azy, Satria tsy mety miasa izy.",
        "26": "Mitsiriritra foana izy tontolo andro, Fa ny olo-marina kosa manome foana sady tsy kahihitra.",
        "27": "Efa maharikoriko ny sorona ataon\u2019ny ratsy fanahy, Mainka moa raha hoe mitetika hanao ratsy izy rehefa manolotra an\u2019izany!",
        "28": "Ho faty ny vavolombelona mandainga, Fa izay mihaino kosa no hahomby rehefa mijoro ho vavolombelona.",
        "29": "Sahisahy ratsy ny ratsy fanahy, Fa ny olona manao izay mahitsy kosa no mandeha amin\u2019ny lalana azo antoka.",
        "30": "Tsy misy fahendrena na fahaiza-mandinika na torohevitra mahatohitra an\u2019i Jehovah.",
        "31": "Voaomana hampiasaina amin\u2019ny andron\u2019ny ady ny soavaly, Fa avy amin\u2019i Jehovah kosa ny famonjena."
    },
    "22": {
        "1": "Aleo tsara laza toy izay mahazo harem-be, Ary aleo hajain\u2019ny olona toy izay mahazo volafotsy sy volamena.",
        "2": "Izao no mampitovy ny mpanankarena sy ny mahantra: Samy nataon\u2019i Jehovah izy ireo.",
        "3": "Mahatsinjo ny loza ny olona malina ka miafina, Fa izay tsy dia nahita fiainana kosa mbola miroso ihany ka voa.",
        "4": "Izay manetry tena sy matahotra an\u2019i Jehovah Dia hahazo harena sy voninahitra ary fiainana.",
        "5": "Tsilo sy fandrika no eo amin\u2019ny lalan\u2019ny fetsifetsy, Fa manalavitra an\u2019izany kosa izay mankamamy ny ainy.",
        "6": "Zaro amin\u2019izay lalana tokony halehany ny zaza, Ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin\u2019izany.",
        "7": "Ny mpanankarena no mifehy ny mahantra, Ary mpanompon\u2019izay nampindram-bola ny olona nindram-bola.",
        "8": "Izay manao ny tsy marina dia hijinja loza, Ary ho tapatapaka ny tsorakazon\u2019ny hatezerany.",
        "9": "Hotahina izay tia manome, Satria mizara ny sakafony amin\u2019ny mahantra.",
        "10": "Roahy ny mpaneso, Dia hijanona ny ady, Ary hitsahatra ny fifamaliana sy ny ompa.",
        "11": "Izay madio fo sy manao teny mahafinaritra, No ho lasa naman\u2019ny mpanjaka.",
        "12": "Miaro an\u2019izay manana fahalalana ny mason\u2019i Jehovah, Fa avadiny kosa ny tenin\u2019ny mpivadika.",
        "13": "Hoy ny kamo: \u201cMisy liona ao ivelany\u00a0ao, Ka sao dia ho fatiny eny amin\u2019ny tany malalaka aho!\u201d",
        "14": "Toy ny lavaka lalina ny tenin\u2019ny vehivavy maditra, Ka izay melohin\u2019i Jehovah no ho latsaka\u00a0ao.",
        "15": "Latsa-paka ao am-pon\u2019ny zaza ny hadalana, Fa ny tsorakazo famaizana no hahatonga an\u2019izany ho lavitra azy.",
        "16": "Izay manambaka ny mahantra mba hitomboan\u2019ny harenany, Ary izay manome fanomezana ho an\u2019ny mpanankarena, Dia hahantra no hiafarany.",
        "17": "Aoka ianao hanongilan-tsofina dia henoy ny tenin\u2019ny hendry, Mba hanekenao amin\u2019ny fo manontolo ny zavatra ampianariko anao.",
        "18": "Fa tsara raha tehirizinao any am-ponao lalina any izany, Mba hiteny an\u2019izany rehetra izany foana ny molotrao.",
        "19": "Omeko fahalalana ianao androany, Amin\u2019izay lasa matoky an\u2019i Jehovah.",
        "20": "Tsy efa nanoratra taminao ve aho, Ka nanome anao torohevitra sy fahalalana,",
        "21": "Mba hampianarana anao zavatra marina sy azo antoka? Amin\u2019izay ianao hiverina hitondra tatitra marina any amin\u2019ilay naniraka anao.",
        "22": "Aza robaina ny mahantra satria hoe mahantra izy, Ary aza ampijalina eo am-bavahadin\u2019ny tan\u00e0na ny madinika.",
        "23": "Fa i Jehovah mihitsy no hiady ho an\u2019ireny any amin\u2019ny fitsarana, Sy hamono an\u2019izay manambaka azy.",
        "24": "Aza minamana amin\u2019ny olona mora\u00a0tezitra, Na miarakaraka amin\u2019ny olona mora misafoaka.",
        "25": "Amin\u2019izay ianao tsy hanao ny fanaony mihitsy, Ka tsy ho voafandrika.",
        "26": "Aza manaiky ho anisan\u2019izay mifandray tanana amin\u2019olona, Ka manaiky hiantoka olona nindram-bola.",
        "27": "Fa raha tsy manam-bola handoavana an\u2019ilay izy ianao, Dia halaina ny fandriananao.",
        "28": "Aza akisaka ny marika mamaritra ny tanin\u2019olona, Izay napetraky ny razambenareo taloha ela\u00a0be.",
        "29": "Mahita olona mahay tsara ny asany ve ianao? Hijoro eo anatrehan\u2019ny mpanjaka izy, Fa tsy hijoro eo anatrehan\u2019ny olon-tsotra."
    },
    "23": {
        "1": "Raha mipetraka mba hiara-misakafo amin\u2019ny mpanjaka ianao, Dia mitandrema tsara,",
        "2": "Ka mahaiza mifehy tena, Raha mazoto homana\u00a0be ianao.",
        "3": "Aza mitsiriritra ny sakafo matsiro arosony, Satria sakafo misy fitaka izany.",
        "4": "Aza mandrera-tena mikatsaka harena. Ajan\u00f2ny izany dia asehoy hoe mahira-tsaina ianao.",
        "5": "Raha avelanao hitopy any amin\u2019ny harena ny masonao, dia tsy ho hitanao akory izany. Fa haniry elatra izany ka hanidina eny amin\u2019ny lanitra toy ny voromahery.",
        "6": "Aza mihinana ny sakafo aroson\u2019ny kahihitra. Aza mitsiriritra ny sakafo matsiro arosony.",
        "7": "Efa kajikajiny tsara mantsy ny habetsahan\u2019ny laninao. Hoy izy aminao: \u201cMihin\u00e0na, dia misotroa\u00a0e!\u201d, nefa tsy vokatry ny fony akory izany.",
        "8": "Dia haloan\u2019ny vavanao izay sombiny kely efa laninao, Ary ho very maina ny teny fiderana nataonao.",
        "9": "Aza atao henon\u2019ny tsisy saina ny teninao, Fa hataony tsinontsinona ny tenim-pahendrena lazainao.",
        "10": "Aza akisaka ny marika mamaritra ny tanin\u2019olona, izay napetraka taloha ela\u00a0be, Ary aza mitsofotsofoka ao amin\u2019ny tanin\u2019ny kamboty ray.",
        "11": "Fa mahery ilay Mpiaro azy, Ary Izy no hiady aminao eny amin\u2019ny fitsarana mba hiarovana azy.",
        "12": "Sokafy ny fonao hanaiky anatra, Ary ny sofinao hihaino fahalalana.",
        "13": "Aza misalasala manafay zanaka, Fa tsy hoe ho faty izy akory raha kapohinao amin\u2019ny tsorakazo.",
        "14": "Kapohy amin\u2019ny tsorakazo izy, Amin\u2019izay ho voavonjy tsy ho any amin\u2019ny Fasana.",
        "15": "Raha manana fo hendry ianao, anaka, Dia ho faly ny foko.",
        "16": "Ho faly ny any anatiko lalina any, Raha milaza ny marina ianao.",
        "17": "Aza avela hitsiriritra ny mpanota ny fonao, Fa matahora foana an\u2019i Jehovah,",
        "18": "Dia ho tsara ny hoavinao, Ary tsy ho foana ny fanantenanao.",
        "19": "Mihainoa, anaka, ka hendre, Ary avilio hanaraka ny lalana tsara ny fonao.",
        "20": "Aza manaiky ho anisan\u2019izay mpiboboka divay\u00a0be, Na ho anisan\u2019izay mpihinan-kena tafahoatra.",
        "21": "Fa hahantra ny mamo lava sy ny tendan-kanina, Ary hitafy voro-damba izay tia torimaso.",
        "22": "Henoy ny rainao niteraka anao, Ary aza atao tsinontsinona ny reninao satria hoe efa antitra izy.",
        "23": "Vidio ny fahamarinana ka aza amidy mihitsy, Dia vidio koa ny fahendrena sy ny anatra ary ny fahiratan-tsaina.",
        "24": "Tena ho faly ny rain\u2019ny olo-marina, Ary izay ray manan-janaka hendry ho ravoravo aminy.",
        "25": "Ho ravoravo ny rainao sy ny reninao, Ary ho faly ny reninao niteraka anao.",
        "26": "Omeo ahy ny fonao, anaka, Ary enga anie ny masonao ho finaritra mandinika ny lalako!",
        "27": "Fa hoatran\u2019ny lavaka lalina ny mpivaro-tena, Ary toy ny lavadrano tery ny vehivavy ratsy fitondran-tena.",
        "28": "Miafina toy ny jiolahy izy, Ary noho ny ataony dia mihabetsaka ny lehilahy mpivadika.",
        "29": "Iza no miferinaina? Iza no tsy mahazo aina? Iza no tia miady? Iza no be\u00a0taraina? Iza no maradratra tsy amin\u2019antony? Ary iza no mena maso?",
        "30": "Tsy iza fa izay tsy mety miala eo am-pototry ny divay, Sy izay mitady divay misy fangarony.",
        "31": "Aza mijery ny hamenan\u2019ny divay, Sy ilay izy mamirapiratra ao anaty kaopy, sady mora atelina.",
        "32": "Fa hanaikitra hoatran\u2019ny menarana izy amin\u2019ny farany, Ary hamoaka poizina hoatran\u2019ny bibilava.",
        "33": "Hahita zavatra hafahafa ny masonao, Ary hirediredy ianao noho ny eritreri-dratsy mitsiry ao am-ponao.",
        "34": "Ho toy ny olona matory eo afovoan-dranomasina ianao, Ary ho toy ny olona matory eny an-tendron\u2019ny andrin-tsambo.",
        "35": "Dia hoy ianao: \u201cNokapohiny aho, nefa tsy naheno naharary. Noveleziny aho, nefa tsy tadidiko akory. Rahoviana \u00e0ry aho no hifoha? Fa mila misotro indray aho.\u201d"
    },
    "24": {
        "1": "Aza mitsiriritra ny olon-dratsy, Ary aza maniry mafy hiaraka aminy.",
        "2": "Fa herisetra no saintsaininy ao am-pony\u00a0ao, Ary ny ratsy nataony no resahin\u2019ny molony.",
        "3": "Fahendrena no ilain\u2019izay hanorina trano, Ary fahaiza-mandinika no ilaina mba hahamafy orina azy.",
        "4": "Fahalalana no mahatonga an\u2019ireo efitranony Ho feno harena sarobidy sy mahafinaritra isan-karazany.",
        "5": "Mahery ny lehilahy hendry, Ary vao mainka mahery ny olona manam-pahalalana.",
        "6": "Tari-dalana tsara no ilainao rehefa handeha hiady, Ary handresy izay manana mpanolo-tsaina maro.",
        "7": "Tsy ho takatry ny tsisy saina ny tena fahendrena, Ary tsy hahita hotenenina izy eo am-bavahadin\u2019ny tan\u00e0na.",
        "8": "Izay mitetika ny hanao ratsy Dia hantsoina hoe mpamorona teti-dratsy raindahiny.",
        "9": "Fahotana ny teti-dratsin\u2019ny adala, Ary tsy tian\u2019ny olona ny mpanesoeso.",
        "10": "Raha kivy ianao rehefa ao anatin\u2019ny sarotra, Dia ho kely ny herinao.",
        "11": "Vonjeo izay entina hovonoina, Ary avoty izay mangozohozo efa haringana.",
        "12": "Raha hoy anefa ianao: \u201cTsy fantatray izany\u201d, Dia tsy ho fantatr\u2019Ilay mandinika ny fo ve ny eritreritrao? Ho fantatr\u2019Ilay mandinika tsara anao izany, Ka hovaliany araka ny nataony avy ny olona tsirairay.",
        "13": "Mihin\u00e0na tantely, anaka, fa tsara izany. Mamy ny tantely avy amin\u2019ny toho-tantely.",
        "14": "Fantaro koa fa mahasoa anao ny fahendrena. Raha mahazo an\u2019izany ianao, dia ho tsara ny hoavinao, Ary tsy ho foana ny fanantenanao.",
        "15": "Aza miafina eny akaikin\u2019ny tranon\u2019ny olo-marina ka mitetika ny hanafika azy, Ary aza ravana ny toerana onenany.",
        "16": "Mety ho lavo impito ny olo-marina, nefa ho tafarina ihany, Fa ny ratsy fanahy kosa ho tafintohina noho ny loza.",
        "17": "Aza mifaly raha lavo ny fahavalonao, Ary aza avela ho falifaly ny fonao raha tafintohina izy,",
        "18": "Sao ho hitan\u2019i Jehovah izany ka tsy ho faly Izy, Ary tsy ho tezitra amin\u2019ilay fahavalonao intsony.",
        "19": "Aza tezitra noho ny ataon\u2019ny olon-dratsy, Ary aza mitsiriritra ny ratsy fanahy.",
        "20": "Fa tsy ho tsara ny hoavin\u2019ny olon-dratsy, Ary ho faty ny jiron\u2019ny ratsy fanahy.",
        "21": "Matahora an\u2019i Jehovah sy ny mpanjaka, anaka. Aza miarakaraka amin\u2019ny mpikomy,",
        "22": "Fa ho tonga tampoka ny loza hanjo azy. Ka iza no mahalala an\u2019izay loza hamelezan\u2019izy ireo an\u2019ireny?",
        "23": "Miteny koa ny hendry hoe: Tsy tsara ny miangatra rehefa mitsara.",
        "24": "Izay milaza amin\u2019ny ratsy fanahy hoe: \u201cOlo-marina ianao\u201d, Dia hozonin\u2019ny vahoaka sady homelohin\u2019ny firenena.",
        "25": "Fa handeha tsara kosa ny fiainan\u2019ireo mananatra ny ratsy fanahy, Ary hotahina izy ireo ka hahazo zava-tsoa.",
        "26": "Hohajain\u2019ny olona izay mitsotra ny marina.",
        "27": "Karakarao ny asanao eny ivelany, ary ataovy vonona daholo ny eny an-tsaha. Avy eo dia aoreno ny tranonao.",
        "28": "Aza mijoro ho vavolombelona hiampanga olona tsy amin\u2019antony. Aza mamitaka olona amin\u2019izay lazain\u2019ny vavanao.",
        "29": "Aza miteny hoe: \u201cIzay nataony tamiko ihany no hataoko aminy. Hovaliako izy noho izay nataony.\u201d",
        "30": "Nandalo teo amin\u2019ny tanimbolin\u2019ny kamo aho, Teo amin\u2019ny tanimboaloboky ny tsy ampy saina.",
        "31": "Hitako fa feno ahidratsy ilay izy, Sady rakotra tsilo, Ary nirodana ny tamboho vato nanodidina azy.",
        "32": "Nodinihiko tsara izany ka nosaintsainiko, Hitako izany dia izao no lesona nianarako:",
        "33": "Raha mbola hatory kely ihany ianao, mbola ho rendremana kely ihany, Ary mbola haka aina kely ihany,",
        "34": "Dia ho avy tampoka hoatran\u2019ny mpangalatra ny fahantranao, Ary ho tonga tampoka hoatran\u2019ny lehilahy mitondra fiadiana ny fahasahirananao."
    },
    "25": {
        "1": "Ireto koa ny ohabolan\u2019i Solomona, ary ny olon\u2019i Hezekia mpanjakan\u2019ny Joda no nanangona sy nandika azy:",
        "2": "Voninahitra ho an\u2019Andriamanitra ny mitazona tsiambaratelo, Ary voninahitra ho an\u2019ny mpanjaka ny mikaroka fahalalana.",
        "3": "Samy tsy takatry ny saina na ny haavon\u2019ny lanitra, na ny halalin\u2019ny tany, Na ny ao am-pon\u2019ny mpanjaka.",
        "4": "Esory amin\u2019ny volafotsy ny tain-drendrika, Dia hadio tanteraka ilay volafotsy.",
        "5": "Esory eo anatrehan\u2019ny mpanjaka ny ratsy fanahy, Dia hiorina mafy amin\u2019ny fahamarinana ny seza fiandrianany.",
        "6": "Aza manambony tena eo anatrehan\u2019ny mpanjaka, Ary aza miray toerana amin\u2019ny olona manan-kaja.",
        "7": "Fa aleo ianao teneniny hoe: \u201cMipetraha eto\u201d, Toy izay alainy baraka eo anatrehan\u2019ny olona ambony.",
        "8": "Aza maika hitory olona any amin\u2019ny fitsarana, Fa raha manala baraka anao any ilay olona, dia inona no hataonao?",
        "9": "Alamino miaraka aminy ilay olana, Nefa aza avoaka ny tsiambaratelo noresahina taminao,",
        "10": "Sao hanala baraka anao izay maheno anao, Sady ho lasa manely tsaho ianao nefa tsy ho azonao tsoahana intsony ny teninao.",
        "11": "Ny teny lazaina amin\u2019ny fotoana mety, Dia toy ny paoma volamena ao anaty fitoerany volafotsy natao sokitra.",
        "12": "Amin\u2019ny olona mihaino anatra, Dia toy ny kavina volamena sy firavaka volamena tena tsara ny olon-kendry mananatra azy.",
        "13": "Hoatran\u2019ny lanezy mangatsiatsiaka amin\u2019ny andro fijinjana Ny mpitondra hafatra mendri-pitokisana, amin\u2019ny olona naniraka azy. Mamelombelona an\u2019ilay tompony mantsy izy.",
        "14": "Toy ny rahona sy rivotra tsy mitondra orana Ny olona mirehareha hoe hanao fanomezana nefa tsy manome mihitsy.",
        "15": "Faharetana no ahafahana mandresy lahatra mpitari-tafika, Ary ny teny malefaka mahavita manapaka taolana.",
        "16": "Raha mahita tantely ianao, dia izay sahaza anao ihany hanina. Handoa mantsy ianao raha mihinana be\u00a0loatra.",
        "17": "Aza mandeha matetika any an-tranon\u2019ny namanao, Sao ho leo anao izy ka ho halany ianao.",
        "18": "Hoatran\u2019ny kibay sy sabatra ary zana-tsip\u00ecka maranitra Ny olona mijoro ho vavolombelona mandainga hiampanga ny namany.",
        "19": "Toy ny mitsako amin\u2019ny nify tapaka na mandeha amin\u2019ny tongotra mangozohozo Ny miantehitra amin\u2019ny olona tsy azo itokisana rehefa ao anatin\u2019ny sarotra.",
        "20": "Izay mihira amin\u2019ny olona malahelo, Dia toy ny manala akanjo amin\u2019ny andro mangatsiaka, Sy toy ny mandraraka vinaingitra amin\u2019ny karibonetra.",
        "21": "Raha noana ny fahavalonao, dia omeo sakafo, Ary raha mangetaheta izy, dia omeo rano.",
        "22": "Fa hampivangongo vainafo eo ambony lohany ianao raha manao an\u2019izany, Ka hamaly soa anao i Jehovah.",
        "23": "Mitondra orana mivatravatra ny rivotra avy any avaratra, Ary izay mifosafosa dia mampahatezitra olona.",
        "24": "Aleo mipetraka eny an-joron\u2019ny tafontrano, Toy izay miray trano amin\u2019ny vehivavy tia ady.",
        "25": "Hoatran\u2019ny rano mangatsiatsiaka mamelombelona olona reraka, Ny tatitra tsara avy any an-tany lavitra.",
        "26": "Toy ny loharano misy fotaka sy lavadrano voaloto Ny olo-marina milefitra eo anatrehan\u2019ny ratsy fanahy.",
        "27": "Tsy tsara ny mihinana tantely be\u00a0loatra, Ary tsy hahazo voninahitra izay mitady voninahitra ho an\u2019ny tenany.",
        "28": "Toy ny tan\u00e0na voagorobaka tsy misy manda intsony Ny olona tsy mahafehy ny hatezerany."
    },
    "26": {
        "1": "Hafahafa raha misy lanezy amin\u2019ny fahavaratra, na misy orana amin\u2019ny fotoam-pijinjana. Hoatr\u2019izany koa fa hafahafa raha omena voninahitra ny adala.",
        "2": "Misy antony matoa mandositra ny vorona na manidina ny sidintsidina, Dia hoatr\u2019izany koa fa misy antony matoa tonga ny ozona.",
        "3": "Natao ho an\u2019ny soavaly ny karavasy, ho an\u2019ny ampondra ny lamboridy, Ary natao ho an\u2019ny lamosin\u2019ny tsisy saina ny tsorakazo.",
        "4": "Aza mamaly ny tsisy saina araka ny hadalany, Sao ianao ho lasa mitovy aminy koa.",
        "5": "Valio araka ny hadalany ny adala, Sao izy hihevi-tena ho hendry.",
        "6": "Toy ny olona manapaka ny tongony sy mandratra ny tenany Ny olona manankina andraikitra amin\u2019ny tsisy saina.",
        "7": "Hoatran\u2019ny tongotry ny malemy tongotra, Dia hoatr\u2019izany koa ny ohabolana lazain\u2019ny tsisy saina.",
        "8": "Izay manome voninahitra ny tsisy saina, Dia toy ny mamatotra vato amin\u2019ny pilotra.",
        "9": "Hoatran\u2019ny tsilo eny an-tanan\u2019ny olona mamo Ny ohabolana lazain\u2019ny tsisy saina.",
        "10": "Toy ny mpandefa zana-tsip\u00ecka mandratra an\u2019izay sendra azy Ny olona manakarama ny tsisy saina na ny mpandalo.",
        "11": "Hoatran\u2019ny alika miverina amin\u2019ny loany Ny tsisy saina miverina amin\u2019ny hadalany.",
        "12": "Mahita olona mihevi-tena ho hendry ve ianao? Ny adala aza mbola misy antenaina noho izy.",
        "13": "Hoy ny kamo: \u201cMisy liona tanora eny an-dalana! Misy liona eny amin\u2019ny tany malalaka!\u201d",
        "14": "Mihodina eo amin\u2019ny savily ny varavarana, Ary mihodina eo am-pandrianany koa ny kamo.",
        "15": "Mangarona ny ao anaty vilia baolina ny kamo, Nefa na ny hampakatra an\u2019ilay tanany ho ao am-bavany aza mandreraka\u00a0be azy.",
        "16": "Mihevitra ny kamo\u00a0hoe Izy no hendry kokoa noho ny olona fito mahay mamaly.",
        "17": "Hoatran\u2019ny olona mitazona alika amin\u2019ny sofiny Ny mpandalo misafoaka amin\u2019ny adin\u2019ny olon-kafa.",
        "18": "Toy ny adala mandefa zana-tsip\u00ecka mirehitra sy mahafaty",
        "19": "Izay manao sangy ratsy, nefa avy eo miteny hoe: \u201cVazivaziko fotsiny iny\u00a0e!\u201d",
        "20": "Maty ny afo rehefa tsy misy kitay, Ary mijanona ny fifamaliana rehefa tsy misy mpanendrikendrika.",
        "21": "Toy ny saribao atao anaty vainafo sy kitay atao anaty afo, Dia hoatr\u2019izany koa fa manitatra ady ny olona tia ady.",
        "22": "Ny tenin\u2019ny mpanendrikendrika dia hoatran\u2019ny sakafo matsiro, Ka tonga dia midina any an-kibo.",
        "23": "Toy ny ranom-bolafotsy nahosotra tamin\u2019ny silaka tanimanga Ny teny mamy ataon\u2019ny olona ratsy saina.",
        "24": "Mahay miresaka er\u1ef3 ny mpankahala ka mihatsaravelatsihy, Nefa ny ao am-pony ao feno fitaka.",
        "25": "Aza matoky azy na dia manao teny malefaka aza izy, Satria zavatra fito maharikoriko no ao am-pony.",
        "26": "Na dia mamitaka aza izy ka afeniny ny fankahalany, Dia hibaribary eo anivon\u2019ny fiangonana ny toetra ratsiny.",
        "27": "Izay mihady lavaka ihany no ho latsaka\u00a0ao, Ary izay manakodia vato ihany no hiverenany.",
        "28": "Halan\u2019ny mpandainga ny olona voafitany, Ary manimba olona ny teny fandokafana."
    },
    "27": {
        "1": "Aza mirehareha ny amin\u2019ny ampitso, Fa tsy fantatrao izay havoaky ny andro tsirairay.",
        "2": "Aleo ny olon-kafa no hidera anao fa tsy ny vavanao, Ary aleo ny hafa fa tsy ny molotrao.",
        "3": "Samy mavesatra na ny vato na ny fasika, Fa ny hatezerana vokatry ny ataon\u2019ny adala mbola mavesatra kokoa.",
        "4": "Tsy misy antra izay misafoaka, ary mandravarava hoatran\u2019ny tondra-drano izay tezitra, Fa iza kosa no mahatanty an\u2019izay saro-piaro?",
        "5": "Aleo anatra tsy an-kifonofono, toy izay fitiavana afenina.",
        "6": "Ny ratra ataon\u2019ny namana no ahitana hoe tsy mivadika izy, Fa be dia be kosa ny oroky ny fahavalo.",
        "7": "Tsy raharahian\u2019ny voky ny tantely avy amin\u2019ny toho-tantely, Fa mamy amin\u2019ny noana kosa na dia ny zavatra mangidy aza.",
        "8": "Hoatran\u2019ny vorona mandao ny akaniny Ny olona mandao ny tranony.",
        "9": "Mahatonga ny fo ho falifaly ny menaka sy ny emboka manitra, Dia hoatr\u2019izany koa ny namana mahafinaritra, izay manoro hevitra amim-pahatsorana.",
        "10": "Aza ilaozana ny namanao na ny naman\u2019ny rainao, Ary aza miditra ao an-tranon\u2019ny rahalahinao rehefa ao anatin\u2019ny sarotra ianao. Aleo namana eo akaiky eo, toy izay rahalahy any lavitra any.",
        "11": "Hendre, anaka, ary ampifalio ny foko, Mba hamaliako an\u2019ilay manaratsy ahy.",
        "12": "Mahatsinjo ny loza ny malina ka miafina, Fa izay tsy dia nahita fiainana kosa mbola miroso ihany ka voa.",
        "13": "Raha niantoka olona tsy fantany ny olona iray, dia alaivo ny akanjony. Raha niantoka vehivavy hafa firenena izy, dia alaivo ny antoka nomeny.",
        "14": "Izay mirary soa ny namany vao maraina nefa miteny mafy\u00a0be, Dia hoatran\u2019ny hoe manozona azy ihany.",
        "15": "Toy ny tafo mitete tsy an-kijanona amin\u2019ny andro manorana ny vehivavy tia ady.",
        "16": "Izay mahasakana azy dia mahasakana rivotra, Sady mahatazona menaka amin\u2019ny tanany ankavanana.",
        "17": "Ny vy no mandranitra ny\u00a0vy, Ary toy ny mandranitra ny namany koa ny olona rehefa manampy azy.",
        "18": "Izay mikarakara ny aviaviny no hihinana ny voany, Ary izay mikarakara ny tompony no homena voninahitra.",
        "19": "Azo itarafana ny tarehy ny rano, Dia hoatr\u2019izany koa fa azo itarafana ny fo ny fon\u2019olon-kafa.",
        "20": "Samy tsy mety afa-po mihitsy na ny Fasana na ny toerana mahal\u00f2 ny nofo, Ary tsy mety afa-po mihitsy koa ny mason\u2019olombelona.",
        "21": "Natao ho an\u2019ny volafotsy ny vilany fanadiovana metaly, ary ho an\u2019ny volamena ny fatana fandrendrehana, Dia hoatr\u2019izany koa fa natao hitsapana ny olona ny teny fiderana azy.",
        "22": "Na dia totoinao amin\u2019ny fanoto aza ny adala, Hoatran\u2019ny mitoto vary ao anaty laona, Dia mbola tsy hiala aminy ihany ny hadalany.",
        "23": "Fantaro tsara hoe manao ahoana ny andian\u2019ondrinao. Dia karakarao tsara ny ondrinao.",
        "24": "Fa tsy haharitra mandrakizay ny harena, Ary tsy haharitra ho an\u2019ny taranaka rehetra hifandimby koa ny satroboninahitra.",
        "25": "Malazo ny ahi-maitso, dia misy ahitra vaovao mitsimoka, Ary angonina hohanin\u2019ny biby fiompy ny zavamaniry eny an-tendrombohitra.",
        "26": "Ahazoanao akanjo ny vantotr\u2019ondrilahy, Ary ahafahanao mividy tany ny osilahy.",
        "27": "Hanana rononon\u2019osy ampy hataonao sakafo ianao, Sady ho ampy ho an\u2019ny ankohonanao no ampy hiveloman\u2019ny mpanompovavinao."
    },
    "28": {
        "1": "Mandositra ny ratsy fanahy na dia tsy misy manenjika aza, Fa feno toky hoatran\u2019ny liona kosa ny olo-marina.",
        "2": "Misolosolo foana ny mpitondra, rehefa misy mandika lal\u00e0na eo amin\u2019ilay tany, Fa raha ampian\u2019ny olona mahay mandinika sy manam-pahalalana kosa ny mpitondra, dia haharitra ny fitondrany.",
        "3": "Izay lehilahy mahantra nefa manambaka ny madinika, Dia toy ny ranonorana mifaoka ny vokatra rehetra.",
        "4": "Midera ny ratsy fanahy ny olona mandika lal\u00e0na, Fa tezitra amin\u2019ireny kosa izay mankat\u00f2 lal\u00e0na.",
        "5": "Tsy mahalala ny dikan\u2019ny hoe rariny ny ratsy fanahy, Fa mahalala ny zava-drehetra kosa izay mitady an\u2019i Jehovah.",
        "6": "Aleo mahantra nefa tsy mivadika, Toy izay mpanankarena nefa fetsy ratsy.",
        "7": "Mankat\u00f2 lal\u00e0na ny zanaka mahira-tsaina, Fa manala baraka ny rainy kosa izay minamana amin\u2019ny tendan-kanina.",
        "8": "Izay maka zanabola sy tombony tafahoatra mba hampitomboana ny harenany, Dia manangona an\u2019izany ho an\u2019izay miantra ny mahantra.",
        "9": "Izay tsy mety mihaino ny lal\u00e0na, Na ny vavaka ataony aza maharikoriko.",
        "10": "Izay mamitaka olo-marina mba hitaomana azy hanao ratsy, dia ho latsaka ao amin\u2019ny lavaka nataony ihany. Fa ny tsy misy tsiny kosa handova zava-tsoa.",
        "11": "Mihevi-tena ho hendry ny mpanankarena. Mahalala ny tena marina momba azy anefa ny mahantra mahay mandinika.",
        "12": "Rehefa mandresy ny olo-marina, dia voninahitra lehibe izany, Fa rehefa mahazo fahefana kosa ny ratsy fanahy, dia misitrika ny vahoaka.",
        "13": "Izay nandika lal\u00e0na ka manarontsarona ny nataony dia tsy hahomby, Fa izay miaiky heloka sy miala amin\u2019izany kosa no hamindrana fo.",
        "14": "Sambatra izay olona miambina foana, Fa izay manamafy fo kosa hahita loza.",
        "15": "Ny mpitondra ratsy fanahy, izay manjaka amin\u2019ny vahoaka tsy misy mpiaro, Dia hoatran\u2019ny liona mierona sy orsa mihazakazaka hanafika.",
        "16": "Manampatra fahefana ny mpitarika tsy mahay mandinika, Fa ho ela velona kosa izay tsy tia tombony azo amin\u2019ny tsy marina.",
        "17": "Handositra hatrany am-pasana izay mivesatra trosan-dra fa namono olona. Aza misy manampy azy.",
        "18": "Hovonjena izay mandeha tsy misy tsiny, Fa ho lavo tampoka kosa izay fetsifetsy.",
        "19": "Hahazo sakafo be dia be izay miasa ny taniny, Fa hahantra fadiranovana kosa izay mikatsaka zava-poana.",
        "20": "Hahazo fitahiana be dia be ny olona mendri-pitokisana, Fa hanan-tsiny kosa izay te hanan-karena haingana.",
        "21": "Tsy tsara ny miangatra, Nefa mety hanaonao foana ny olona iray mba hahazoana sombi-mofo.",
        "22": "Maimay te hanan-karena ny olona mitsiriritra, Nefa tsy fantany fa hahantra izy amin\u2019ny farany.",
        "23": "Izay mananatra no ho tian\u2019ny olona kokoa Noho izay mandokadoka.",
        "24": "Izay mandroba ny rainy sy ny reniny nefa miteny hoe: \u201cTsy maninona izany!\u201d, Dia naman\u2019ny mpangalatra ihany.",
        "25": "Mampisy ady ny olona tsy mety afa-po, Nefa hilamina tsara ny fiainan\u2019izay miantehitra amin\u2019i Jehovah.",
        "26": "Tsisy saina izay matoky ny fony, Fa ho voaro kosa izay manao zavatra amim-pahendrena.",
        "27": "Tsy hisy hahory an\u2019izay manome ho an\u2019ny mahantra, Fa ho voaozona imbetsaka kosa izay manakimpy ny masony tsy hijery an\u2019ireny.",
        "28": "Miafina ny olona rehefa mahazo fahefana ny ratsy fanahy, Fa mihabetsaka kosa ny olo-marina rehefa ringana ireny."
    },
    "29": {
        "1": "Izay efa nanarina imbetsaka nefa mbola mafy\u00a0loha ihany, Dia ho torotoro tampoka ka tsy ho sitrana intsony.",
        "2": "Faly ny vahoaka rehefa be dia be ny olo-marina, Fa mitaraina kosa izy ireo rehefa ny ratsy fanahy no mitondra.",
        "3": "Mampifaly ny rainy ny olona tia fahendrena, Fa mandanilany ny harenany kosa izay miaraka amin\u2019ny mpivaro-tena.",
        "4": "Lasa milamina ny tany rehefa manao ny rariny ny mpanjaka, Fa mandrava azy kosa ny olona tia kolikoly.",
        "5": "Izay mandokadoka ny namany, Dia mamelatra harato hamandrihana ny tongotr\u2019ilay namany.",
        "6": "Mamandrika ny tenany ny olon-dratsy rehefa mandika lal\u00e0na, Fa mifaly sy mihoby kosa ny olo-marina.",
        "7": "Manaja ny zon\u2019ny mahantra ny olo-marina, Fa tsy miraharaha an\u2019izany kosa ny ratsy fanahy.",
        "8": "Mampikorontana ny iray tan\u00e0na ny mpirehareha, Fa mampitony hatezerana kosa ny hendry.",
        "9": "Raha miady amin\u2019ny adala eny amin\u2019ny fitsarana ny hendry, Dia tsy hisy zava-banona satria hitabataba sy hanesoeso fotsiny ilay adala.",
        "10": "Mankahala an\u2019izay tsy manan-tsiny ny mpandatsa-dra, Ka te hamono an\u2019ireo olo-marina.",
        "11": "Avoakan\u2019ny adala daholo ny hatezerany, Fa mahatsindry fo kosa ny hendry.",
        "12": "Raha mihaino lainga ny mpitondra, Dia ho ratsy fanahy daholo ny mpanompony.",
        "13": "Izao no mampitovy ny mahantra sy ny mpampijaly: I Jehovah no manome hazavana ho an\u2019ny mason\u2019izy ireo.",
        "14": "Raha mitsara ny mahantra ara-drariny ny mpanjaka, Dia ho mafy orina foana ny seza fiandrianany.",
        "15": "Ny tsorakazo sy ny anatra no mampahahendry, Fa ny zaza avela hanaram-po kosa mahamenatra ny reniny.",
        "16": "Mitombo ny fandikan-dal\u00e0na rehefa mihabetsaka ny ratsy fanahy, Nefa ho hitan\u2019ny olo-marina fa ratsy ny hiafaran\u2019ireny.",
        "17": "Faizo ny zanakao, dia hampilamin-tsaina anao izy, Sady tena hahafinaritra anao.",
        "18": "Samy manao izay tiany fotsiny ny olona rehefa tsy misy fahitana, Fa sambatra kosa izay manaraka ny lal\u00e0na.",
        "19": "Tsy hanaiky hahitsy ny mpanompo raha tenenina fotsiny, Satria na azony tsara aza izany, dia tsy ankatoaviny.",
        "20": "Mahita olona faingam-bava ve ianao? Ny tsisy saina aza mbola misy antenaina noho izy.",
        "21": "Raha nampihantaina hatramin\u2019ny mbola kely ny mpanompo, Dia tsy hahay hankasitraka izy rehefa any aoriana any.",
        "22": "Mampisy ady izay mora tezitra, Ary manao fahadisoana be dia be izay mora misafoaka.",
        "23": "Hietry izay manambony tena, Fa hahazo voninahitra kosa izay manetry tena.",
        "24": "Mankahala ny tenany izay miray tsikombakomba amin\u2019ny mpangalatra. Mety hasaina hijoro ho vavolombelona izy, saingy tsy miteny na inona na inona.",
        "25": "Fandrika ny tahotra olona, Fa izay matoky an\u2019i Jehovah kosa no ho voaro.",
        "26": "Maro no mangataka hiresaka amin\u2019ny mpitondra, Nefa amin\u2019i Jehovah ihany ny olona no mahazo rariny.",
        "27": "Izay manao ny tsy rariny dia maharikoriko ny olo-marina, Fa ny olo-marina koa maharikoriko ny ratsy fanahy."
    },
    "30": {
        "1": "Izao no hafatra mafonja tao amin\u2019ny tenin\u2019i Agora zanak\u2019i Jake, izay nolazainy tamin\u2019i Itiela sy Okala:",
        "2": "Izaho no tsy misaina indrindra amin\u2019ny olona rehetra, Sady tsy mba mahira-tsaina hoatran\u2019ny olona.",
        "3": "Tsy mba nianatra ny atao hoe fahendrena aho, Ary tsy manana ny fahalalana ananan\u2019Ilay Masina Indrindra.",
        "4": "Iza no niakatra tany an-danitra ka nidina avy any? Iza no nahavita nanangona rivotra tamin\u2019ny tanany roa? Iza no nahavita nandrakotra ny rano tamin\u2019ny akanjony? Iza no nahavita namaritra ny faran\u2019ny tany? Iza no anarany, ary iza no anaran\u2019ny zanany, raha fantatrao?",
        "5": "Madio toy ny metaly voadio daholo ny teny nolazain\u2019Andriamanitra. Ampingan\u2019izay mialoka aminy Izy.",
        "6": "Aza ampiana ny teniny, Sao hanariny ianao, Ka ho hita fa mpandainga.",
        "7": "Andriamanitra\u00a0\u00f4, zavatra roa no angatahiko aminao, Ka aza lavina dieny mbola tsy maty aho:",
        "8": "Ampio aho mba tsy hilaza zavatra tsy marina na handainga. Aza atao mahantra aho, nefa aza atao manankarena koa. Avelao fotsiny aho hihinana an\u2019izay sakafo sahaza ahy,",
        "9": "Sao ho voky aho ka handa anao, dia hiteny hoe: \u201cFa iza koa izay Jehovah?\u201d, Na sao ho lasa mahantra aho ka hangalatra, dia hanala baraka ny anaran\u2019Andriamanitro.",
        "10": "Aza endrikendrehina any amin\u2019ny tompony ny mpanompo, Sao izy hanozona anao, ka ho hita fa meloka ianao.",
        "11": "Misy taranaka manozona ny rainy Sady tsy manaja ny reniny.",
        "12": "Misy taranaka mihevi-tena ho madio, Nefa tsy voasasa ka tsy afaka akory ny lotony.",
        "13": "Misy taranaka manao fijery mianjonanjona\u00a0be, Sady tena manao fijery miavonavona\u00a0be.",
        "14": "Misy taranaka manana nify hoatran\u2019ny sabatra, Sy vazana toy ny antsin-kena. Arapany ny madinika eto an-tany, Sy ny mahantra eo amin\u2019ny olombelona.",
        "15": "Ny dinta dia manan-janakavavy roa, izay miantsoantso hoe: \u201cOmeo! Omeo!\u201d Ireto misy zavatra telo tsy mety voky, Eny, zavatra efatra tsy miteny mihitsy hoe: \u201cAoka izay!\u201d:",
        "16": "Ny Fasana sy ny kibo momba, Ny tany tsy misy rano, Ary ny afo izay tsy miteny mihitsy hoe: \u201cAoka izay!\u201d",
        "17": "Ny mason\u2019izay manesoeso ray sy tsy mankat\u00f2 reny Dia hotsaingohin\u2019ny goaika mpankeny amin\u2019ny lohasaha, Sady ho lanin\u2019ny zana-boromahery.",
        "18": "Ireto misy zavatra telo tsy takatry ny saiko, Eny, zavatra efatra tsy azoko:",
        "19": "Ny lalan\u2019ny voromahery manidina eny amin\u2019ny lanitra, Ny lalan\u2019ny bibilava mandady eny ambony vatolampy, Ny lalan\u2019ny sambo mandeha eny afovoan-dranomasina, Ary ny ataon\u2019ny lehilahy rehefa miaraka amin\u2019ny tovovavy.",
        "20": "Izao no fanaon\u2019ny vehivavy mpanitsakitsa-bady: Mihinana izy dia mamafa vava, Ary miteny izy avy eo hoe: \u201cTsy nanao ratsy mihitsy aho!\u201d",
        "21": "Ireto misy zavatra telo mampikorontana ny tany, Eny, zavatra efatra tsy zakany mihitsy:",
        "22": "Rehefa ny mpanompo no lasa mpanjaka, Ary ny adala no lasa voky\u00a0be,",
        "23": "Rehefa ny vehivavy halan\u2019ny olona no nisy naka vady, Ary ny mpanompovavy no maka ny toeran\u2019ny tompovaviny.",
        "24": "Ireto misy zavatra efatra anisan\u2019ny kely indrindra eto an-tany, Nefa manana fahendrena voajanahary:",
        "25": "Ny vitsika dia zavaboary tsy matanjaka, Nefa manangona ny sakafony rehefa fahavaratra.",
        "26": "Ny bitrom-bato dia zavaboary tsy mahery, Nefa manao ny tranony eny ambony vatolampy.",
        "27": "Ny valala dia tsy manana mpanjaka, Nefa miara-mandroso manao andiany izy rehetra.",
        "28": "Ny katsatsaka dia mamikitra amin\u2019ny tongony, Ary miditra ao amin\u2019ny lapan\u2019ny mpanjaka.",
        "29": "Ireto misy zavatra telo tsara famindra, Eny, zavatra efatra tsara fandeha:",
        "30": "Ny liona izay biby mahery indrindra, Sady tsy mba mihemotra eo anatrehan\u2019iza na iza,",
        "31": "Ny alika mpihaza, ny osilahy, Ary ny mpanjaka mitarika ny tafiny.",
        "32": "Raha nanao hadalana ianao satria nanambony tena, Na nitetika ny hanao an\u2019izany, Dia tampeno amin\u2019ny tananao ny vavanao.",
        "33": "Fa ahazoana dibera ny ronono rehefa ahontsankontsana, Ary mandeha ra ny orona rehefa potserina, Dia hoatr\u2019izany koa fa raikitra ny ady raha atao izay hampahatezitra ny olona."
    },
    "31": {
        "1": "Izao no tenin\u2019i Lemoela Mpanjaka, izany hoe ny hafatra mafonja nolazain\u2019ny reniny mba hampianarana azy:",
        "2": "Inona no holazaiko aminao, anaka? Inona no holazaiko, ry ilay naloaky ny kiboko, Ilay zanaka azoko tamin\u2019ny voady?",
        "3": "Aza mandany ny herinao amin\u2019ny vehivavy, Ary aza manaraka fomba fiaina ratsy, fa izany no mahatonga ny mpanjaka ho ripaka.",
        "4": "Tsy tsara ho an\u2019ny mpanjaka, ry Lemoela\u00a0\u00f4, Tsy tsara ho an\u2019ny mpanjaka ny misotro divay, Na ho an\u2019ny mpitondra ny manontany hoe: \u201cAiza ny toakako?\u201d",
        "5": "Sao hisotro izy dia hanadino ny didy efa navoaka, Ka hanitsakitsaka ny zon\u2019ny madinika.",
        "6": "Omeo toaka izay efa ho faty, Ary omeo divay izay kivy\u00a0be.",
        "7": "Aleo izy hisotro dia ho hadinony ny fahantrany, Ary aleo izy tsy hahatsiaro intsony ny fahoriany.",
        "8": "Mitenena mba hiaro an\u2019izay tsy afaka miteny, Ary arovy ny zon\u2019izay rehetra efa ho faty.",
        "9": "Mitenena ka mitsar\u00e0 araka ny rariny. Arovy ny zon\u2019ny madinika sy ny mahantra. \u05d0 [ Alefa ]",
        "10": "Iza no nahita vady tsara? Sarobidy lavitra noho ny haran-dranomasina izany vehivavy izany. \u05d1 [ Beta ]",
        "11": "Matoky azy amin\u2019ny fony manontolo ny vadiny, Sady manana an\u2019izay rehetra ilainy. \u05d2 [ Gimela ]",
        "12": "Tsara ny ataon\u2019ilay vehivavy aminy fa tsy ratsy, Mandritra ny androm-piainany. \u05d3 [ Daleta ]",
        "13": "Mitady volonondry sy lamba rongony ilay vehivavy, Ary mahafinaritra azy ny miasa amin\u2019ny tanany. \u05d4 [ He ]",
        "14": "Hoatran\u2019ny sambon\u2019ny mpivaro-mandeha izy, Ka mitondra ny sakafony avy any lavitra. \u05d5 [ Vao ]",
        "15": "Mifoha koa izy na dia mbola alina aza, Ka manome sakafo ho an\u2019ny ankohonany Sy anjara sakafo ho an\u2019ny mpanompovaviny. \u05d6 [ Zaina ]",
        "16": "Mandinika tsara aloha izy vao mividy saha. Ny asa mafy nataony no ahafahany mamboly voaloboka. \u05d7 [ Heta ]",
        "17": "Miomana hiasa mafy izy, Ka hatanjahiny ny sandriny. \u05d8 [ Teta ]",
        "18": "Hitany fa ahazoany tombony ny varotra ataony, Ary tsy maty jiro izy mandritra ny alina. \u05d9 [ Y\u00f4da ]",
        "19": "Alainy ny fitazonana kofehy mbola tsy voafoly, Ary tazoniny koa ny ampela. \u05db [ Kafa ]",
        "20": "Manatsotra ny tanany hanampy ny madinika izy, Sady malala-tanana amin\u2019ny mahantra. \u05dc [ Lameda ]",
        "21": "Tsy manahy ny amin\u2019ny ankohonany izy rehefa latsaka ny lanezy, Satria manao akanjo mafana daholo izy mianakavy. \u05de [ Mema ]",
        "22": "Izy ihany no manamboatra ny lambam-pandrianany, Ary lamba rongony sy volonondry volomparasy ny akanjony. \u05e0 [ Nona ]",
        "23": "Be mpahafantatra eo am-bavahadin\u2019ny tan\u00e0na ny vadiny, Eo amin\u2019ilay toerana iarahany mipetrapetraka amin\u2019ny anti-panahy ao amin\u2019ilay tany. \u05e1 [ Sameka ]",
        "24": "Manamboatra akanjo rongony izy, dia mivarotra an\u2019izany. Mamatsy fehikibo ho an\u2019ny mpivaro-mandeha koa izy. \u05e2 [ Aina ]",
        "25": "Hery sy voninahitra no akanjony, Ary feno toky izy miandrandra ny hoavy. \u05e4 [ Pe ]",
        "26": "Hita hoe hendry izy rehefa miteny, Ary ny lal\u00e0n\u2019ny hatsaram-panahy no eo am-bavany. \u05e6 [ Tsade ]",
        "27": "Manara-maso an\u2019izay mitranga ao an-tokantranony izy, Ary tsy mihinana ny mofon\u2019ny hakamoana. \u05e7 [ K\u00f4fa ]",
        "28": "Mitsangana ny zanany, ka milaza azy hoe sambatra. Mitsangana koa ny vadiny, ka midera azy hoe: \u05e8 [ Resa ]",
        "29": "Betsaka ny vehivavy mahay, Fa ianao mbola mihoatra noho izy rehetra. \u05e9 [ Shina ]",
        "30": "Mety hamitaka ny hatsaram-bika, ary mety hihelina ihany ny hatsaran-tarehy, Fa ny vehivavy matahotra an\u2019i Jehovah no hoderaina. \u05ea [ Tao ]",
        "31": "Omeo valisoa izy noho izay ataony, Ary aoka hidera azy eny am-bavahadin\u2019ny tan\u00e0na ny asany."
    },
    "meta": {
        "name": "Ohabolana",
        "order": 19,
        "chapter_number": 31
    }
}