UNPKG

mg-bibles

Version:

A package for accessing Bible verses in Malagasy (MG), Diem, King James (KJV), and Louis Segond (APEE) versions

31 lines (30 loc) 4.88 kB
{ "1": { "1": "Ny fahitan\u2019i Obadia: Hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony momba an\u2019i Edoma: \u201cNaheno tatitra avy amin\u2019i Jehovah izahay, Dia nisy olona nirahina hankany amin\u2019ireo firenena hilaza hoe: \u2018Mitsang\u00e0na! Andao isika hiomana hiady amin\u2019i Edoma!\u2019\u201d", "2": "\u201cAtaoko tsy misy dikany ianao eo amin\u2019ireo firenena; Ary tena atao tsinontsinona.", "3": "Nirehareha loatra ny fonao ka voafitaka ianao, Ry ilay mipetraka eny an-tsefatsefaky ny harambato, Sy mipetraka eny amin\u2019ny toerana avo, ka mieritreritra hoe: \u2018Iza no hahavita hampidina ahy eny amin\u2019ny tany?\u2019", "4": "Na ataonao avo hoatran\u2019ny an\u2019ny voromahery aza ny tranonao, Ary na ataonao eny amin\u2019ny kintana aza ny akaninao, Dia avy eny no hampidinako anao\u201d, hoy i Jehovah.", "5": "\u201cRaha misy mpangalatra tonga ao aminao, ary misy mpandroba tonga amin\u2019ny alina, Tsy izay tiany ihany ve no hangalariny? Na, raha mpioty voaloboka no tonga ao aminao, Tsy hamela sisa hotsimponina ihany ve izy? Fa ianao kosa ho ringana tsy hisy hiangana intsony!", "6": "Notadiavina daholo ny taranak\u2019i Esao. Nokarohina mafy ny harenany miafina.", "7": "Ary nanery anao hankeny amin\u2019ny sisin-taniny ny olona nifanaraka taminao. Namitaka anao daholo izy ireo. Nandresy anao ny olona nihavana tsara taminao. Ary hamelatra harato hamandrihana anao izay miara-misakafo aminao, Nefa tsy ho fantatrao akory izany.", "8": "Hoy i Jehovah: \u201cAmin\u2019izany andro izany, Dia haringako ny olon-kendrin\u2019i Edoma, Ary haringako ny olona misaina, ao amin\u2019ny faritra be tendrombohitr\u2019i Esao.", "9": "Dia hatahotra be ny miaramilanao, ry\u00a0Temana\u00a0\u00f4! Hovonoina ho faty daholo mantsy izy ireo, ka tsy hisy ho tavela intsony ao amin\u2019ny faritra be tendrombohitr\u2019i Esao.", "10": "Ho menatra be ianao, Dia ho ringana mandrakizay, Satria nahery setra tamin\u2019i Jakoba rahalahinao.", "11": "Nitazam-potsiny ianao tamin\u2019izay andro izay, Rehefa naka ny tafiny ho babo ny fahavalo, Ary niditra teo am-bavahadiny ny hafa firenena ka nanao antsapaka an\u2019i Jerosalema. Nanao hoatran\u2019ny nataon\u2019izy ireo ianao.", "12": "Tsy tokony ho nifaly tamin\u2019izay nanjo ny rahalahinao ianao, tamin\u2019ny andro nahitany loza. Tsy tokony ho nifaly ianao, tamin\u2019ny andro nandringanana ny taranak\u2019i Joda, Ary tsy tokony ho\u00a0nanao teny an\u2019avona ianao, tamin\u2019ny andro nijaliany.", "13": "Tsy tokony ho niditra teo am-bavahadin\u2019ny vahoakako ianao, tamin\u2019ny andro nahitany loza. Tsy tokony ho nifaly tamin\u2019izay nanjo azy ianao, tamin\u2019ny andro nahitany loza, Ary tsy tokony ho naka ny harenany ianao, tamin\u2019ny andro nahitany loza.", "14": "Tsy tokony ho niandry teny amin\u2019ny sampanan-dalana ianao, mba hamono an\u2019izay afa-nandositra, Ary tsy tokony\u00a0ho\u00a0natolotrao teo am-pelatanan\u2019ny fahavalony izay sisa tsy maty, tamin\u2019ny andro nijaliany.", "15": "Fa efa akaiky ny andron\u2019i Jehovah, ka hanafay ny firenena rehetra izy amin\u2019izay. Hoatran\u2019izay nataonao taminy ihany no hatao aminao koa. Ary hivaly aminao izay nataonao tamin\u2019olon-kafa.", "16": "Nisotro divay teo amin\u2019ny tendrombohitro masina ianareo, Dia hisotro ny divain\u2019ny fahatezerako hoatr\u2019izany foana koa ny firenena rehetra, Ary hisotro sy hitelina an\u2019izany izy ireo, Ka ho lasa hoatran\u2019ny tsy nisy akory.", "17": "Izay afa-mandositra kosa hankeo amin\u2019ny Tendrombohitra Ziona, Dia ho masina izy io. Ary ho lasan\u2019ny taranak\u2019i Jakoba indray ny fananany taloha.", "18": "Dia ho lasa afo ny taranak\u2019i Jakoba, Ho lelafo ny taranak\u2019i Josefa, Ary ho vodivary kosa ny taranak\u2019i Esao. Hodoran\u2019izy ireo sy holevoniny ny taranak\u2019i Esao, Ka tsy hisy ho velona intsony, Fa i Jehovah no efa niteny.", "19": "Ary ho lasan\u2019izy ireo i Negeba sy ny faritra be tendrombohitr\u2019i Esao, Sy Sefela, ary ny tanin\u2019ny Filistinina. Ho lasan\u2019izy ireo koa ny faritr\u2019i Efraima sy ny faritr\u2019i Samaria, Ary ho lasan\u2019i Benjamina kosa i Gileada.", "20": "Ireo teto amin\u2019ity dongon-tany ity izay natao sesitany, izany hoe ny vahoakan\u2019Israely, No hahazo ny\u00a0tanin\u2019ny Kananita hatrany Zarefata. Fa ny mponin\u2019i Jerosalema izay natao sesitany tany Sefarada kosa no haka an\u2019ireo tan\u00e0nan\u2019i Negeba.", "21": "Hisy mpamonjy hiakatra eo amin\u2019ny Tendrombohitra Ziona, Ary hitsara ny faritra be tendrombohitr\u2019i Esao izy ireo. Dia ho lasan\u2019i Jehovah ny fanjakana.\u201d" }, "meta": { "name": "Obadia", "order": 30, "chapter_number": 1 } }