UNPKG

mg-bibles

Version:

A package for accessing Bible verses in Malagasy (MG), Diem, King James (KJV), and Louis Segond (APEE) versions

307 lines 228 kB
{ "1": { "1": "Ary niresaka tamin\u2019i Mosesy tany an-tany efitr\u2019i Sinay i Jehovah, tao amin\u2019ny tranolay fihaonana, tamin\u2019ny andro voalohan\u2019ny volana faharoa, tamin\u2019ny taona faharoa nivoahan\u2019izy ireo avy tany Ejipta. Hoy izy:", "2": "\u201cIsao ny vahoaka manontolo, dia ny Israelita, ka isao tsirairay araka ny fianakaviany, sy araka ny fianakaviambeny, ary araka ny lisitry ny anaran\u2019ny lehilahy\u00a0rehetra.", "3": "Soraty arakaraka ny antokony ny anaran\u2019izay 20\u00a0taona no ho miakatra ka afaka manompo ao amin\u2019ny tafika eo amin\u2019ny Israely. Ianao sy Arona no hanao an\u2019izany.", "4": "\u201cMak\u00e0 lehilahy iray isaky ny foko mba hiaraka aminareo. Tokony ho lohan\u2019ny fianakaviambe daholo izy ireo.", "5": "Ireto avy ny anaran\u2019ireo lehilahy hanampy anareo: I Elizora zanak\u2019i Sedeora no avy amin\u2019i Robena;", "6": "Selomiela zanak\u2019i Zorisaday no avy amin\u2019i Simeona;", "7": "Nasona zanak\u2019i Aminadaba no avy amin\u2019i Joda;", "8": "Netanela zanak\u2019i Zoara no avy amin\u2019i Isakara;", "9": "Eliaba zanak\u2019i Helona no avy amin\u2019i Zebolona;", "10": "Elisama zanak\u2019i Amihoda no avy amin\u2019i Efraima; Gamaliela zanak\u2019i Pedazora no avy amin\u2019i Manase, ary samy taranak\u2019i Josefa ireo;", "11": "Abidana zanak\u2019i Gideony no avy amin\u2019i Benjamina;", "12": "Ahiezera zanak\u2019i Amisaday no avy amin\u2019i Dana;", "13": "Pagiela zanak\u2019i Okrana no avy amin\u2019i Asera;", "14": "Eliasafa zanak\u2019i Doela no avy amin\u2019i Gada;", "15": "ary Ahira zanak\u2019i Enana no avy amin\u2019i Naftaly.", "16": "Ireo no voantso avy amin\u2019ny vahoaka. Samy mpiadidy eo amin\u2019ny fokon\u2019ny rainy izy ireo, sady mpifehy ny arivo eo amin\u2019ny Israely.\u201d", "17": "Nalain\u2019i Mosesy sy Arona \u00e0ry ireo lehilahy voatonona anarana ireo.", "18": "Dia novorin\u2019izy ireo daholo ny vahoaka manontolo, tamin\u2019ny andro voalohan\u2019ny volana faharoa, mba hosoratana anarana tsirairay isam-pianakaviana sy isaky ny fianakaviambeny. Ny anaran\u2019izay 20\u00a0taona no ho miakatra no nosoratan\u2019izy ireo,", "19": "araka ny didy nomen\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy. Nosoratany tany an-tany efitr\u2019i Sinay \u00e0ry ny anaran\u2019izy ireny.", "20": "Ny taranak\u2019i Robena lahimatoan\u2019i Israely, dia nalahatra araka ny anarany sy ny fianakaviany ary ny fianakaviambeny. Nisaina tsirairay ny lehilahy rehetra 20\u00a0taona no ho miakatra efa afaka nanompo tao amin\u2019ny tafika,", "21": "ka 46\u00a0500 ny isan\u2019ny voasoratra anarana tamin\u2019ny fokon\u2019i Robena.", "22": "Ny taranak\u2019i Simeona dia nalahatra araka ny anarany sy ny fianakaviany ary ny fianakaviambeny. Nisaina tsirairay ny lehilahy rehetra 20\u00a0taona no ho miakatra efa afaka nanompo tao amin\u2019ny tafika,", "23": "ka 59\u00a0300 ny isan\u2019ny voasoratra anarana tamin\u2019ny fokon\u2019i Simeona.", "24": "Ny taranak\u2019i Gada dia nalahatra araka ny anarany sy ny fianakaviany ary ny fianakaviambeny. Nisaina ny lehilahy rehetra 20\u00a0taona no ho miakatra efa afaka nanompo tao amin\u2019ny tafika,", "25": "ka 45\u00a0650 ny isan\u2019ny voasoratra anarana tamin\u2019ny fokon\u2019i Gada.", "26": "Ny taranak\u2019i Joda dia nalahatra araka ny anarany sy ny fianakaviany ary ny fianakaviambeny. Nisaina ny lehilahy rehetra 20\u00a0taona no ho miakatra efa afaka nanompo tao amin\u2019ny tafika,", "27": "ka 74\u00a0600 ny isan\u2019ny voasoratra anarana tamin\u2019ny fokon\u2019i Joda.", "28": "Ny taranak\u2019i Isakara dia nalahatra araka ny anarany sy ny fianakaviany ary ny fianakaviambeny. Nisaina ny lehilahy rehetra 20\u00a0taona no ho miakatra efa afaka nanompo tao amin\u2019ny tafika,", "29": "ka 54\u00a0400 ny isan\u2019ny voasoratra anarana tamin\u2019ny fokon\u2019i Isakara.", "30": "Ny taranak\u2019i Zebolona dia nalahatra araka ny anarany sy ny fianakaviany ary ny fianakaviambeny. Nisaina ny lehilahy rehetra 20\u00a0taona no ho miakatra efa afaka nanompo tao amin\u2019ny tafika,", "31": "ka 57\u00a0400 ny isan\u2019ny voasoratra anarana tamin\u2019ny fokon\u2019i Zebolona.", "32": "Ny taranak\u2019i Josefa avy amin\u2019i Efraima, dia nalahatra araka ny anarany sy ny fianakaviany ary ny fianakaviambeny. Nisaina ny lehilahy rehetra 20\u00a0taona no ho miakatra efa afaka nanompo tao amin\u2019ny tafika,", "33": "ka 40\u00a0500 ny isan\u2019ny voasoratra anarana tamin\u2019ny fokon\u2019i Efraima.", "34": "Ny taranak\u2019i Manase dia nalahatra araka ny anarany sy ny fianakaviany ary ny fianakaviambeny. Nisaina ny lehilahy rehetra 20\u00a0taona no ho miakatra efa afaka nanompo tao amin\u2019ny tafika,", "35": "ka 32\u00a0200 ny isan\u2019ny voasoratra anarana tamin\u2019ny fokon\u2019i Manase.", "36": "Ny taranak\u2019i Benjamina dia nalahatra araka ny anarany sy ny fianakaviany ary ny fianakaviambeny. Nisaina ny lehilahy rehetra 20\u00a0taona no ho miakatra efa afaka nanompo tao amin\u2019ny tafika,", "37": "ka 35\u00a0400 ny isan\u2019ny voasoratra anarana tamin\u2019ny fokon\u2019i Benjamina.", "38": "Ny taranak\u2019i Dana dia nalahatra araka ny anarany sy ny fianakaviany ary ny fianakaviambeny. Nisaina ny lehilahy rehetra 20\u00a0taona no ho miakatra efa afaka nanompo tao amin\u2019ny tafika,", "39": "ka 62\u00a0700 ny isan\u2019ny voasoratra anarana tamin\u2019ny fokon\u2019i Dana.", "40": "Ny taranak\u2019i Asera dia nalahatra araka ny anarany sy ny fianakaviany ary ny fianakaviambeny. Nisaina ny lehilahy rehetra 20\u00a0taona no ho miakatra efa afaka nanompo tao amin\u2019ny tafika,", "41": "ka 41\u00a0500 ny isan\u2019ny voasoratra anarana tamin\u2019ny fokon\u2019i Asera.", "42": "Ny taranak\u2019i Naftaly dia nalahatra araka ny anarany sy ny fianakaviany ary ny fianakaviambeny. Nisaina ny lehilahy rehetra 20\u00a0taona no ho miakatra efa afaka nanompo tao amin\u2019ny tafika,", "43": "ka 53\u00a0400 ny isan\u2019ny voasoratra anarana tamin\u2019ny fokon\u2019i Naftaly.", "44": "Ireo no voasoratra anarana, ka i Mosesy sy Arona ary ny mpiadidy 12 lahy teo amin\u2019ny Israely no nanoratra ny anarany. Samy nisolo tena ny fianakaviambeny daholo izy 12 lahy ireo.", "45": "Nosoratana isaky ny fianakaviambe daholo ny anaran\u2019izay Israelita rehetra 20\u00a0taona no ho miakatra efa afaka nanompo tao amin\u2019ny tafika teo amin\u2019ny Israely.", "46": "Ny isan\u2019ny voasoratra anarana rehetra dia 603\u00a0550.", "47": "Ny fianakaviamben\u2019ny fokon\u2019ny Levita kosa tsy mba nosoratana anarana niaraka tamin\u2019izy ireo.", "48": "Niteny tamin\u2019i Mosesy \u00e0ry i Jehovah hoe:", "49": "\u201cNy fokon\u2019i Levy ihany no tsy tokony hosoratana anarana, ary tsy tokony hakambanao amin\u2019ny isan\u2019ny Israelita hafa ny isan-dry zareo.", "50": "Tokony hotendrenao hiandraikitra ny tranolay misy ny Tenin\u2019ny Vavolombelona ny Levita, sady hiandraikitra ny fitaovana rehetra sy ny zava-drehetra miaraka amin\u2019ilay izy. Izy ireo no hitondra ny tranolay sy ny fitaovana rehetra ao, ary izy ireo no hanompo ao. Ary tokony hitoby manodidina ny tranolay izy ireo.", "51": "Isaky ny hafindra ny tranolay, dia ny Levita no tokony handrava azy, ary isaky ny haverina hatsangana ny tranolay, dia ny Levita no hanangana azy. Tokony hovonoina ho faty izay olona tsy nahazo alalana nefa manakaiky eo.", "52": "\u201cTokony hanangana ny tranolainy ao amin\u2019izay toby nanendrena azy ny Israelita tsirairay, ka ny lehilahy tsirairay hitoby ao amin\u2019ny fizarana misy azy, arakaraka ny antokony.", "53": "Ny Levita kosa tokony hitoby manodidina ny tranolay misy ny Tenin\u2019ny Vavolombelona, mba tsy ho tezitra amin\u2019ny vahoakan\u2019Israely aho. Ary andraikitry ny Levita ny mikarakara ny tranolay misy ny Tenin\u2019ny Vavolombelona.\u201d", "54": "Dia nanao araka ny didy rehetra nomen\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy ny vahoakan\u2019Israely. Izany mihitsy no nataon\u2019izy ireo." }, "2": { "1": "Ary hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy sy Arona:", "2": "\u201cRehefa mitoby ny Israelita, dia tokony hitoby ao amin\u2019ny fizarana anendrena azy avy izy ireo, ary tokony ho eo akaikin\u2019ny famantarana ny fianakaviambeny ny tsirairay. Tokony hitoby manodidina ny tranolay fihaonana izy ireo, sady hanatrika azy\u00a0io.", "3": "\u201cNy hitoby eo atsinanana, izany hoe tandrifin\u2019ny fiposahan\u2019ny masoandro, dia ny fizarana misy ny tobin\u2019i Joda, arakaraka ny antokony avy. I Nasona zanak\u2019i Aminadaba no mpiadidy eo amin\u2019ny taranak\u2019i Joda,", "4": "ary 74\u00a0600 ireo voasoratra anarana ao amin\u2019ny tafik\u2019i Nasona.", "5": "Ny fokon\u2019i Isakara no hitoby eo akaikiny, ka i Netanela zanak\u2019i Zoara no mpiadidy eo amin\u2019ny taranak\u2019i Isakara,", "6": "ary 54\u00a0400 ireo voasoratra anarana ao amin\u2019ny tafik\u2019i Netanela.", "7": "Ho eo amin\u2019ny ilany iray kosa ny fokon\u2019i Zebolona, ka i Eliaba zanak\u2019i Helona no mpiadidy eo amin\u2019ny taranak\u2019i Zebolona,", "8": "ary 57\u00a0400 ireo voasoratra anarana ao amin\u2019ny tafik\u2019i Eliaba.", "9": "\u201cMisy 186\u00a0400 \u00e0ry ireo voasoratra anarana rehetra ao amin\u2019ny tafiky ny tobin\u2019i Joda. Izy ireo no tokony hifindra lasy voalohany.", "10": "\u201cHo eo atsimo kosa ny fizarana misy ny tobin\u2019i Robena, arakaraka ny antokony avy. I Elizora zanak\u2019i Sedeora no mpiadidy eo amin\u2019ny taranak\u2019i Robena,", "11": "ary 46\u00a0500 ireo voasoratra anarana ao amin\u2019ny tafik\u2019i Elizora.", "12": "Ny fokon\u2019i Simeona no hitoby eo akaikiny, ka i Selomiela zanak\u2019i Zorisaday no mpiadidy eo amin\u2019ny taranak\u2019i Simeona,", "13": "ary 59\u00a0300 ireo voasoratra anarana ao amin\u2019ny tafik\u2019i Selomiela.", "14": "Ho eo amin\u2019ny ilany iray kosa ny fokon\u2019i Gada, ka i Eliasafa zanak\u2019i Regoela no mpiadidy eo amin\u2019ny taranak\u2019i Gada,", "15": "ary 45\u00a0650 ireo voasoratra anarana ao amin\u2019ny tafik\u2019i Eliasafa.", "16": "\u201cMisy 151\u00a0450 \u00e0ry ireo voasoratra anarana rehetra ao amin\u2019ny tafiky ny tobin\u2019i Robena. Izy ireo no tokony hifindra lasy faharoa.", "17": "\u201cRehefa afindra ny tranolay fihaonana, dia tokony ho eo afovoan\u2019ireo toby hafa ny tobin\u2019ny Levita. \u201cTokony ho arakaraka ny filaharan\u2019izy ireo rehefa mitoby ihany no ho filaharany rehefa miainga, ka samy ho eo amin\u2019ny filaharany avy ny tsirairay, arakaraka ny fizarana misy azy.", "18": "\u201cHo eo andrefana ny fizarana misy ny tobin\u2019i Efraima, arakaraka ny antokony avy. I Elisama zanak\u2019i Amihoda no mpiadidy eo amin\u2019ny taranak\u2019i Efraima,", "19": "ary 40\u00a0500 ireo voasoratra anarana ao amin\u2019ny tafik\u2019i Elisama.", "20": "Ny fokon\u2019i Manase no ho eo akaikiny, ka i Gamaliela zanak\u2019i Pedazora no mpiadidy eo amin\u2019ny taranak\u2019i Manase,", "21": "ary 32\u00a0200 ireo voasoratra anarana ao amin\u2019ny tafik\u2019i Gamaliela.", "22": "Ho eo amin\u2019ny ilany iray kosa ny fokon\u2019i Benjamina, ka i Abidana zanak\u2019i Gideony no mpiadidy eo amin\u2019ny taranak\u2019i Benjamina,", "23": "ary 35\u00a0400 ireo voasoratra anarana ao amin\u2019ny tafik\u2019i Abidana.", "24": "\u201cMisy 108\u00a0100 \u00e0ry ireo voasoratra anarana rehetra ao amin\u2019ny tafiky ny tobin\u2019i Efraima. Izy ireo no tokony hifindra lasy fahatelo.", "25": "\u201cHo eo avaratra kosa ny fizarana misy ny tobin\u2019i Dana, arakaraka ny antokony avy. I Ahiezera zanak\u2019i Amisaday no mpiadidy eo amin\u2019ny taranak\u2019i Dana,", "26": "ary 62\u00a0700 ireo voasoratra anarana ao amin\u2019ny tafik\u2019i Ahiezera.", "27": "Ny fokon\u2019i Asera no hitoby eo akaikiny, ka i Pagiela zanak\u2019i Okrana no mpiadidy eo amin\u2019ny taranak\u2019i Asera,", "28": "ary 41\u00a0500 ireo voasoratra anarana ao amin\u2019ny tafik\u2019i Pagiela.", "29": "Ho eo amin\u2019ny ilany iray kosa ny fokon\u2019i Naftaly, ka i Ahira zanak\u2019i Enana no mpiadidy eo amin\u2019ny taranak\u2019i Naftaly,", "30": "ary 53\u00a0400 ireo voasoratra anarana ao amin\u2019ny tafik\u2019i Ahira.", "31": "\u201cMisy 157\u00a0600 \u00e0ry ireo voasoratra anarana rehetra ao amin\u2019ny tobin\u2019i Dana. Izy ireo no tokony hifindra lasy farany, araka ny fizarana misy azy.\u201d", "32": "Ireo no Israelita voasoratra anarana, arakaraka ny fianakaviambeny avy. Nisy 603\u00a0550 ireo voasoratra anarana rehetra tao amin\u2019ireo toby ka afaka nanompo tao amin\u2019ny tafika.", "33": "Ny Levita kosa tsy nosoratana anarana niaraka tamin\u2019ireo Israelita ireo, araka ny didy nomen\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy.", "34": "Dia nanao araka ny didy rehetra nomen\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy ny Israelita. Izany no nataon\u2019izy ireo rehefa nitoby, araka ny fizarana nisy azy avy. Izany koa no nataony rehefa nifindra lasy, araka ny fianakaviany avy, sy arakaraka ny fianakaviambeny avy." }, "3": { "1": "Ireto avy ny taranak\u2019i Arona sy Mosesy, tamin\u2019ilay andro niresahan\u2019i Jehovah tamin\u2019i Mosesy teo amin\u2019ny Tendrombohitra Sinay.", "2": "Ireto avy ny\u00a0anaran\u2019ny zanakalahin\u2019i Arona: I Nadaba no lahimatoa, dia nanarakaraka azy i Abiho sy Eleazara ary Itamara.", "3": "Ireo no anaran\u2019ny zanak\u2019i Arona, dia ny mpisorona voahosotra sy notendrena ho mpisorona.", "4": "Maty teo anatrehan\u2019i Jehovah anefa i Nadaba sy Abiho. Nanolotra afo teo anatrehan\u2019i Jehovah mantsy izy ireo tany an-tany efitr\u2019i Sinay, nefa afo tsy nahazoana alalana ilay izy. Ary tsy nanan-janaka izy roa lahy. I Eleazara sy Itamara kosa mbola nanao ny asan\u2019ny mpisorona niaraka tamin\u2019i Arona rainy.", "5": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:", "6": "\u201cAsaivo manatona ny fokon\u2019i Levy, dia asaivo mijoro eo anatrehan\u2019i Arona mpisorona mba hanampy azy.", "7": "Hanao ny andraikiny aminy sy amin\u2019ny vahoaka manontolo, eo anoloan\u2019ny tranolay fihaonana, izy ireo ka hanao ny fanompoany mifandray amin\u2019ny tranolay masina.", "8": "Ary hikarakara ny fitaovana rehetra ao amin\u2019ny tranolay fihaonana izy ireo, sady hanao ny andraikiny amin\u2019ny Israelita, ka hanao fanompoana mifandray amin\u2019ny tranolay masina.", "9": "Omeo an\u2019i Arona sy ny zanany lahy ny Levita. Fanomezana izy ireo ary omen\u2019ny Israelita an\u2019i Arona.", "10": "Ary tendreo hanao ny asan\u2019ny mpisorona i Arona sy ny zanany lahy. Hovonoina ho faty izay olona tsy nahazo alalana nefa manakaiky ny toerana masina.\u201d", "11": "Hoy koa i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:", "12": "\u201cAlaiko avy amin\u2019ny Israelita ny Levita, mba ho solon\u2019ny lahimatoa rehetra eo amin\u2019ny Israelita. Dia ho ahy ny Levita,", "13": "fa ahy ny lahimatoa rehetra. Tamin\u2019ilay andro namonoako ny lahimatoa rehetra tany Ejipta, dia nohamasiniko ho ahy izay lahy teraka voalohany rehetra teo amin\u2019ny Israely, na olona na biby. Dia ho ahy ireny. Izaho no Jehovah.\u201d", "14": "Hoy ihany i Jehovah tamin\u2019i Mosesy tany an-tany efitr\u2019i Sinay:", "15": "\u201cSoraty ny anaran\u2019ireo zanakalahin\u2019i Levy, araka ny fianakaviambeny sy araka ny fianakaviany. Soraty ny anaran\u2019izay lahy rehetra iray volana no ho miakatra.\u201d", "16": "Dia nosoratan\u2019i Mosesy ny anaran\u2019izy ireo, araka izay nandidian\u2019i Jehovah azy.", "17": "Ireto avy ny anaran\u2019ny zanakalahin\u2019i Levy: Gersona sy Kehata ary Merary.", "18": "Ireto kosa no anaran\u2019ny zanakalahin\u2019i Gersona, araka ny fianakaviany avy: Libny sy Simey.", "19": "Ny zanakalahin\u2019i Kehata, araka ny fianakaviany avy, dia i Amrama, Jizara, Hebrona, ary Oziela.", "20": "Ny zanakalahin\u2019i Merary, araka ny fianakaviany avy, dia i Maly sy Mosy. Ireo no fianakavian\u2019ny Levita, araka ny fianakaviambeny.", "21": "Avy tamin\u2019i Gersona ny fianakavian\u2019ny Libnita sy ny fianakavian\u2019ny Simeita. Ireo no fianakavian\u2019ny Gersonita.", "22": "Ny lahy rehetra iray volana no ho miakatra no nosoratana anarana, ka 7\u00a0500 ny isan\u2019izy ireo.", "23": "Tao ambadiky ny tranolay masina, teo andrefana, ny fianakavian\u2019ny Gersonita no nitoby.", "24": "I Eliasafa zanak\u2019i Laela no mpiadidy teo amin\u2019ny fianakaviamben\u2019ny Gersonita.", "25": "Ary ny andraikitry ny taranak\u2019i Gersona tao amin\u2019ny tranolay fihaonana dia ny nikarakara ny tranolay, ny rakotra, ny lamba fanakonana an\u2019ilay fidirana mankao amin\u2019ny tranolay fihaonana,", "26": "ny fefy lamban\u2019ny tokotany, ny lamba fanakonana an\u2019ilay fidirana mankao amin\u2019ny tokotany manodidina ny tranolay sy ny alitara, ny tady fanenjanan-day, ary izay rehetra ampiasaina amin\u2019ny fanompoana mifandray amin\u2019ireny.", "27": "Avy tamin\u2019i Kehata ny fianakavian\u2019ny Amramita, ny fianakavian\u2019ny Jizarita, ny fianakavian\u2019ny Hebronita, ary ny fianakavian\u2019ny Ozielita. Ireo no fianakavian\u2019ny Kehatita.", "28": "Nisy 8\u00a0600 ny lahy rehetra iray volana no ho miakatra. Andraikitr\u2019izy ireo ny mikarakara ny toerana masina.", "29": "Nitoby teo atsimon\u2019ny tranolay ireo fianakavian\u2019ny taranak\u2019i Kehata.", "30": "I Elizafana zanak\u2019i Oziela no mpiadidy teo amin\u2019ny fianakaviamben\u2019ny Kehatita.", "31": "Andraikitr\u2019izy ireo ny nikarakara ny Vata, ny latabatra, ny fitoeran-jiro, ireo alitara, ny fitaovana ampiasaina rehefa manompo ao amin\u2019ny toerana masina, ny lamba fanakonana, ary izay rehetra ampiasaina amin\u2019ny fanompoana mifandray amin\u2019ireny.", "32": "I Eleazara zanak\u2019i Arona mpisorona no lehiben\u2019ny mpiadidy teo amin\u2019ny Levita. Izy no mpiandraikitra an\u2019izay nanana andraikitra tao amin\u2019ny toerana masina.", "33": "Ary avy tamin\u2019i Merary ny fianakavian\u2019ny Malita sy ny fianakavian\u2019ny Mosita. Ireo no fianakavian\u2019i Merary.", "34": "Nisy 6\u00a0200 ny lahy rehetra iray volana no ho miakatra voasoratra anarana.", "35": "I Zoriela zanak\u2019i Abihaila no mpiadidy teo amin\u2019ny fianakaviamben\u2019i Merary. Nitoby teo avaratry ny tranolay izy ireo.", "36": "Ny taranak\u2019i Merary no niandraikitra sy nanara-maso ny rafitry ny tranolay, ny barany, ny andry, ny faladia itsatohany, ny fitaovany rehetra, ary izay rehetra ampiasaina amin\u2019ny fanompoana mifandray amin\u2019ireny.", "37": "Andraikiny koa ny andry manodidina ny tokotany, ny faladia itsatohany, ny fantsika be fanenjanan-day, ary ny tady fanenjanan-day.", "38": "I Mosesy, miaraka amin\u2019i Arona sy ny zanany lahy, no nitoby teo alohan\u2019ny tranolay, teo atsinanana, izany hoe teo anoloan\u2019ny tranolay fihaonana, tandrifin\u2019 ny fiposahan\u2019ny masoandro. Andraikitr\u2019izy ireo ny nikarakara ny toerana masina, ary nanao an\u2019izany izy ireo ho solon\u2019ny Israelita. Hovonoina ho faty izay olona tsy nahazo alalana nefa manakaiky ny toerana masina.", "39": "Nisy 22\u00a0000 ny Levita rehetra voasoratra anarana, dia ny lahy rehetra iray volana no ho miakatra. I Mosesy sy Arona no nanoratra ny anaran\u2019izy ireo, araka ny fianakaviany avy, araka ny baikon\u2019i Jehovah.", "40": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy: \u201cSoraty ny anaran\u2019ny lahimatoa rehetra iray volana no ho miakatra, amin\u2019ny Israelita. Isao izy ireo, dia ataovy lisitra ny anarany.", "41": "Ary alaivo ho ahy ny Levita, ho solon\u2019ny lahimatoa rehetra amin\u2019ny Israelita. Alaivo ho ahy koa ny biby fiompin\u2019ny Levita, ho solon\u2019ny voalohan-teraka rehetra amin\u2019ny biby fiompin\u2019ny Israelita. Izaho no Jehovah.\u201d", "42": "Dia nosoratan\u2019i Mosesy ny anaran\u2019ny lahimatoa rehetra tamin\u2019ny Israelita, araka ny didy nomen\u2019i Jehovah azy.", "43": "Nisy 22\u00a0273 ny lahimatoa rehetra iray volana no ho miakatra voasoratra anarana.", "44": "Hoy koa i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:", "45": "\u201cAlaivo ny Levita mba ho solon\u2019ny lahimatoa rehetra amin\u2019ny Israelita, ary ny biby fiompin\u2019ny Levita ho solon\u2019ny biby fiompin\u2019izy ireo. Dia ho ahy ny Levita. Izaho no Jehovah.", "46": "Mihoatra 273 amin\u2019ny Levita anefa ny isan\u2019ny lahimatoan\u2019ny Israelita. Mba hanavotana an\u2019ireo mihoatra ireo,", "47": "dia mak\u00e0 dimy sekely ho takalon\u2019ny lahimatoa tsirairay, araka ny sekely fampiasa ao amin\u2019ny toerana masina. Ary 20 gera ny iray sekely.", "48": "Dia omeo an\u2019i Arona sy ny zanany lahy ilay vola hatao vidim-panavotana an\u2019ireo olona mihoatra ireo.\u201d", "49": "Koa nalain\u2019i Mosesy ny vola hanavotana an\u2019ireo Israelita nihoatra tamin\u2019ny isan\u2019ny Levita.", "50": "Avy tamin\u2019ny lahimatoan\u2019ny Israelita no nakany an\u2019ilay vola, dia 1\u00a0365 sekely, araka ny sekely fampiasa ao amin\u2019ny toerana masina.", "51": "Dia nomen\u2019i Mosesy an\u2019i Arona sy ny zanany lahy ny vola vidim-panavotana, araka ny tenin\u2019i Jehovah, dia araka ny didy nomen\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy." }, "4": { "1": "Ary hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy sy Arona:", "2": "\u201cTokony hisaina isam-pianakaviana sy isaky ny fianakaviambe ny taranak\u2019i Kehata anisan\u2019ny taranak\u2019i Levy,", "3": "dia izay rehetra 30 ka hatramin\u2019ny 50\u00a0taona, anisan\u2019ny antoko voatendry hiasa ao amin\u2019ny tranolay fihaonana.", "4": "\u201cIzao no fanompoan\u2019ny taranak\u2019i Kehata ao amin\u2019ny tranolay fihaonana, ary zavatra masina indrindra izany:", "5": "Rehefa hiainga ny toby, dia hiditra i Arona sy ny zanany lahy ka hampidina ny ridao fanakonana, ary iny no handrakofany ny Vata Misy ny Tenin\u2019ny Vavolombelona.", "6": "Horakofany hoditra faoky eo amboniny, ary mbola hamelarany lamba manga eo ambonin\u2019io. Dia hataony amin\u2019ny toerany ireo bao filanjana ny Vata.", "7": "\u201cHamelatra lamba manga eo ambonin\u2019ny latabatry ny mofo aseho koa izy ireo, ka hataony eo ambonin\u2019io ny vilia, ny kaopy, ny vilia baolina, ary ny zingan\u2019ny fanatitra zava-pisotro. Tokony ho eo ambonin\u2019ilay latabatra foana ny mofo, izay fanatitra atolotra tsy tapaka.", "8": "Hamelatra lamba mena midorehitra eo ambonin\u2019ireo izy. Dia horakofany hoditra faoky ilay latabatra, ary hatsofony ny bao filanjana azy.", "9": "Haka lamba manga izy ireo avy eo hanaronany ny fitoeran-jiro sy ny kojakojany: Ny jiro, ny fitazonana lahin-jiro, ny fitondrana afo, ary ny fitoera-menaka rehetra ampiasaina mba hampirehitra foana ny jiro.", "10": "Hofonosiny ao anaty rakotra vita amin\u2019ny hoditra faoky ilay fitoeran-jiro sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy, ka hataony eo ambonin\u2019ny bao filanjana.", "11": "Ary hamelatra lamba manga eo ambonin\u2019ny alitara volamena izy ireo. Dia horakofany hoditra faoky ilay izy, ary hatsofony ny bao filanjana azy.", "12": "Halain\u2019izy ireo ny fitaovana hafa rehetra ampiasainy hanompoana tsy tapaka ao amin\u2019ny toerana masina, ka hataony ao anaty lamba manga. Dia hosaronany hoditra faoky ireo, ka hataony eo ambonin\u2019ny bao filanjana.", "13": "\u201cTokony hanala ny lavenona eo amin\u2019ny alitara izy ireo, dia hamelatra lamba volonondry volomparasy eo amboniny.", "14": "Hataony eo ambonin\u2019ilay alitara ny fitaovana rehetra ampiasainy rehefa manompo eo, dia ny fitondrana afo, ny fitrebika, ny lapelina, ary ny vilia baolina, izany hoe ny fitaovana rehetra ho an\u2019ny alitara. Dia hamelatra hoditra faoky handrakofana ny alitara izy ireo, ary hanatsofoka ny bao filanjana azy.", "15": "\u201cRehefa hiainga ny toby, dia tokony ho efa norakofan\u2019i Arona sy ny zanany lahy ny toerana masina sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy. Dia hiditra ny taranak\u2019i Kehata ka hilanja an\u2019ireo, nefa tsy hikasika an\u2019ilay toerana masina izy ireo sao ho faty. Ireo zavatra ireo no andraikitry ny taranak\u2019i Kehata mifandray amin\u2019ny tranolay fihaonana.", "16": "\u201cI Eleazara zanak\u2019i Arona mpisorona no miandraikitra sy manara-maso ny menaky ny jiro, ny emboka manitra, ny fanatitra varimbazaha atolotra tsy tapaka, ary ny menaka masina fanosorana. Izy no miandraikitra ny tranolay masina, dia ilay izy manontolo sy ny ao anatiny rehetra, anisan\u2019izany ny toerana masina sy ny fitaovana miaraka aminy.\u201d", "17": "Hoy koa i Jehovah tamin\u2019i Mosesy sy Arona:", "18": "\u201cTandremo sao ho ripaka ny taranak\u2019i Kehata ka tsy hisy Kehatita intsony ao amin\u2019ny fokon\u2019i Levy.", "19": "Ataovy tsara kosa ny andraikitrareo, mba ho velona foana izy ireo fa tsy ho faty rehefa manatona an\u2019ireo zavatra masina indrindra. Hiditra i Arona sy ny zanany lahy, ka hilaza amin\u2019ny tsirairay ny fanompoana hataony sy izay tokony holanjainy.", "20": "Tsy tokony hiditra hijery an\u2019ireo zava-masina ny Kehatita na dia indray mipy maso aza, sao ho faty.\u201d", "21": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:", "22": "\u201cTokony hisaina isaky ny fianakaviambe sy isam-pianakaviana ny taranak\u2019i Gersona.", "23": "Soraty ny anaran\u2019izay 30 ka hatramin\u2019ny 50\u00a0taona anisan\u2019ny antoko voatendry hanompo ao amin\u2019ny tranolay fihaonana.", "24": "Ireto avy no tokony hokarakarain\u2019ny fianakavian\u2019ny Gersonita sy hoentiny:", "25": "Hoentin\u2019izy ireo ny lamban\u2019ny tranolay, ny tranolay fihaonana, ny rakotra, ilay rakotra vita amin\u2019ny hoditra faoky eo amboniny, ny lamba fanakonana an\u2019ilay fidirana amin\u2019ny tranolay fihaonana,", "26": "ny fefy lamban\u2019ny tokotany, ny lamba fanakonana an\u2019ilay fidirana amin\u2019ny vavahadin\u2019ny tokotany manodidina ny tranolay sy ny alitara, ny tady fanenjanan-day sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy, ary ny zavatra rehetra ampiasaina rehefa manompo ao amin\u2019ny tranolay masina. Izany no anendrena azy ireo.", "27": "Tokony hanara-maso ny fanompoana rehetra ataon\u2019ny Gersonita sy ny zavatra entiny i Arona sy ny zanany lahy. Asaivo entiny ireo entana rehetra ireo, fa ireo no andraikiny.", "28": "Izany no fanompoana tokony hataon\u2019ireo fianakavian\u2019ny Gersonita ao amin\u2019ny tranolay fihaonana, ka i Itamara zanak\u2019i Arona mpisorona no miandraikitra ny fanompoan\u2019izy ireo.", "29": "\u201cNy taranak\u2019i Merary kosa tokony hosoratanao anarana isam-pianakaviana sy isaky ny fianakaviambeny.", "30": "Izay 30 ka hatramin\u2019ny 50\u00a0taona no hosoratanao anarana, dia izay rehetra anisan\u2019ny antoko voatendry hanao ny fanompoana ao amin\u2019ny tranolay fihaonana.", "31": "Ireto avy ny andraikiny, dia izay tokony hoentiny mifandray amin\u2019ny fanompoany ao amin\u2019ny tranolay fihaonana: Ny rafitry ny tranolay, ny barany, ny andry, ary ny faladia itsatohany.", "32": "Hoentiny koa ireo andrin\u2019ny tokotany manodidina, ny faladia itsatohany, ny fantsika be fanenjanan-day, ny tady fanenjanan-day, ary ny fitaovana rehetra miaraka aminy sy izay rehetra ampiasaina amin\u2019ny fanompoana mifandray amin\u2019ireny. Holazainareo aminy ny anaran\u2019ny fitaovana tokony hoentiny.", "33": "Hoatr\u2019izany no tokony hataon\u2019ireo fianakavian\u2019ny taranak\u2019i Merary rehefa manompo ao amin\u2019ny tranolay fihaonana, ka i Itamara zanak\u2019i Arona mpisorona no hiandraikitra azy ireo.\u201d", "34": "Ary nosoratan\u2019i Mosesy sy Arona ary ny mpiadidy vahoaka araka ny fianakaviany sy araka ny fianakaviambeny ny anaran\u2019ireo taranaky ny Kehatita,", "35": "dia izay rehetra 30 ka hatramin\u2019ny 50\u00a0taona anisan\u2019ny antoko voatendry hanompo ao amin\u2019ny tranolay fihaonana.", "36": "Koa nisy 2\u00a0750 ireo voasoratra anarana rehetra araka ny fianakaviany avy.", "37": "Ireo no voasoratra anarana tamin\u2019ny fianakavian\u2019ny Kehatita, dia izay rehetra nanompo tao amin\u2019ny tranolay fihaonana. I Mosesy sy Arona no nanoratra ny anarany, araka ny baikon\u2019i Jehovah nampitaina tamin\u2019i Mosesy.", "38": "Nosoratana araka ny fianakaviany sy araka ny fianakaviambeny ny anaran\u2019ny taranak\u2019i Gersona,", "39": "dia izay rehetra 30 ka hatramin\u2019ny 50\u00a0taona anisan\u2019ny antoko voatendry hanompo ao amin\u2019ny tranolay fihaonana.", "40": "Koa nisy 2\u00a0630 ireo voasoratra anarana rehetra araka ny fianakaviany sy araka ny fianakaviambeny.", "41": "Ireo no voasoratra anarana tamin\u2019ny fianakavian\u2019ny taranak\u2019i Gersona, dia izay rehetra nanompo tao amin\u2019ny tranolay fihaonana. I Mosesy sy Arona no nanoratra ny anarany, araka ny baikon\u2019i Jehovah.", "42": "Nosoratana araka ny fianakaviany sy araka ny fianakaviambeny ny anaran\u2019ny taranak\u2019i Merary,", "43": "dia izay rehetra 30 ka hatramin\u2019ny 50\u00a0taona anisan\u2019ny antoko voatendry hanompo ao amin\u2019ny tranolay fihaonana.", "44": "Koa nisy 3\u00a0200 ireo voasoratra anarana rehetra araka ny fianakaviany avy.", "45": "Ireo no voasoratra anarana tamin\u2019ny fianakavian\u2019ny taranak\u2019i Merary. I Mosesy sy Arona no nanoratra ny anarany, araka ny baikon\u2019i Jehovah nampitaina tamin\u2019i Mosesy.", "46": "Nosoratan\u2019i Mosesy sy Arona ary ny mpiadidy teo amin\u2019ny Israely ny anaran\u2019ireo Levita rehetra ireo, ka nataony araka ny fianakaviany sy araka ny fianakaviambeny izany.", "47": "Ary 30 ka hatramin\u2019ny 50\u00a0taona izy ireo. Voatendry hanompo sy hitondra an\u2019ireo fitaovan\u2019ny tranolay fihaonana izy rehetra.", "48": "Nisy 8\u00a0580 ireo voasoratra anarana rehetra.", "49": "Nosoratana ny anaran\u2019izy ireo, araka ny baikon\u2019i Jehovah nampitain\u2019i Mosesy, ka samy nanana ny fanompoana nanendrena azy sy ny anjara entany avy ny tsirairay. Nosoratana ny anaran\u2019izy ireo, araka ny didy nomen\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy." }, "5": { "1": "Hoy koa i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:", "2": "\u201cOmeo baiko ny Israelita hoe avoahy eny ivelan\u2019ny toby daholo izay olona boka, na misy tsiranoka mivoaka amin\u2019ny taovam-pananahany, na maloto satria nikasika faty.", "3": "Avoahy izy ireny, na lahy na vavy. Avoahy eny ivelan\u2019ny toby ireny mba tsy handotoany ny toby, satria mipetraka eo amin\u2019ny vahoaka ao amin\u2019ny toby aho.\u201d", "4": "Dia nataon\u2019ny Israelita izany, ka navoakany teny ivelan\u2019ny toby ireny. Araka ny didy nomen\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy no nataon\u2019izy ireo.", "5": "Hoy ihany i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:", "6": "\u201cTeneno ny Israelita hoe: \u2018Raha misy lehilahy na vehivavy manota, na inona na inona fahotany, ary mivadika amin\u2019i Jehovah izy, dia ho meloka.", "7": "Tsy maintsy miaiky ny fahotany izy, ary hanome onitra ka honerany manontolo izay nalainy tamin\u2019ilay olona nanaovany fahadisoana, sady mbola hampiany ampahadiminy. Dia homeny an\u2019ilay olona izany.", "8": "Raha tsy manana havana akaiky handray an\u2019ilay onitra anefa ilay olona nanaovany fahadisoana, dia homena an\u2019i Jehovah izany, ka ho lasan\u2019ny mpisorona, afa-tsy ilay ondrilahy hatao fandrakofam-pahotana. Io mantsy no handrakofan\u2019ilay mpisorona ny fahotan\u2019ilay meloka.", "9": "\u201c\u2018Ho an\u2019ny mpisorona daholo izay fanomezana masina entin\u2019ny Israelita any aminy.", "10": "Ho azy foana ny zava-masina atolotry ny olona tsirairay. Izay omen\u2019ny tsirairay ho an\u2019ny mpisorona, dia ho lasan\u2019ilay mpisorona.\u2019\u201d", "11": "Hoy koa i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:", "12": "\u201cTeneno ny Israelita hoe: \u2018Raha misy vehivavy manambady nefa manota ka mivadika amin\u2019ny vadiny,", "13": "ary misy lehilahy hafa manao firaisana aminy, nefa tsy fantatr\u2019ilay vadiny izany sady tsy misy mahafantatra mihitsy, izany hoe mandoto ny tenany ilay vehivavy, nefa tsy misy vavolombelona miampanga azy ary tsy tratra izy, dia izao no tokony hatao:", "14": "Raha lasa saro-piaro ilay lehilahy vadiny ka ahiahiny hoe nivadika taminy ilay vehivavy, ary efa nandoto ny tenany tokoa, na raha lasa saro-piaro ilay lehilahy ka ahiahiny hoe nivadika taminy ilay vehivavy, nefa tsy nandoto ny tenany akory,", "15": "dia hoentin\u2019ilay lehilahy any amin\u2019ny mpisorona ilay vehivavy, ary hoentiny miaraka aminy koa ny fanatitra aterin\u2019ilay vehivavy, izany hoe lafarinina ampahafolon\u2019ny efaha vita amin\u2019ny vary orza. Tsy horarahany menaka eo ambonin\u2019ilay izy sady tsy hasiany ditin-kazo manitra, satria fanatitra varimbazaha atolotra noho ny fahasarotam-piaro izany, dia fanatitra ahafantarana raha nisy fahadisoana tokoa na tsia.", "16": "\u201c\u2018Dia hasain\u2019ny mpisorona manatona ilay vehivavy, ka hasainy mijoro eo anatrehan\u2019i Jehovah.", "17": "Haka rano madio amin\u2019ny zinga tanimanga ilay mpisorona, ary haka vovoka eo amin\u2019ny tany misy an\u2019ilay tranolay masina, dia hataony ao anatin\u2019ilay rano ilay izy.", "18": "Ary hasain\u2019ny mpisorona mijoro eo anatrehan\u2019i Jehovah ilay vehivavy, ka hovahany ny volony. Dia hataony eo am-pelatanan\u2019ilay vehivavy ny fanatitra varimbazaha mampahatsiahy an\u2019ilay fahadisoana, dia ilay fanatitra atolotra noho ny fahasarotam-piaro. Ary ho eny an-tanan\u2019ny mpisorona kosa ny rano mangidy mitondra ozona.", "19": "\u201c\u2018Dia hasain\u2019ilay mpisorona mianiana ilay vehivavy, sady hoteneniny hoe: \u201cRaha tsy nisy lehilahy nanao firaisana taminao, amin\u2019izao ianao mbola eo ambany fahefan\u2019ny vadinao izao, ary tsy hoe nanota ianao ka nandoto ny tenanao, dia enga anie tsy hampaninona anao ity rano mangidy mitondra ozona ity!", "20": "Fa raha nanota ianao ka nandoto tena nefa mbola eo ambany fahefan\u2019ny vadinao, ary efa nanao firaisana tamin\u2019ny lehilahy hafa ankoatra ny vadinao...\u201d", "21": "Dia hasain\u2019ny mpisorona mianiana sy miozona ilay vehivavy, sady hotenenin\u2019ilay mpisorona hoe: \u201cEnga anie ny anaranao ka hataon\u2019i Jehovah fampiasan\u2019ny firenenao rehefa manozona na mianiana, ary enga anie hataon\u2019i Jehovah tsy miteraka ianao, dia hataony mibontsina ny kibonao!", "22": "Hiditra ao amin\u2019ny tsinainao ity rano mitondra ozona ity, ka hampibontsina ny kibonao dia tsy ho afaka hiteraka ianao.\u201d Dia tokony hiteny ilay vehivavy hoe: \u201cAmena! Amena!\u201d", "23": "\u201c\u2018Dia hosoratan\u2019ny mpisorona ao anaty boky ireo ozona ireo ka hofafany ao anatin\u2019ilay rano mangidy.", "24": "Avy eo dia hampisotroiny an\u2019ilay vehivavy ilay rano mangidy mitondra ozona, dia hiditra ao anatiny ka hijalijaly izy.", "25": "Ary halain\u2019ny mpisorona eny an-tanan\u2019ilay vehivavy ilay fanatitra varimbazaha atolotra noho ny fahasarotam-piaro, ka hahetsiketsiny eo anatrehan\u2019i Jehovah, dia hoentiny eo akaikin\u2019ny alitara.", "26": "Haka eran\u2019ny tanan\u2019ila amin\u2019ilay fanatitra varimbazaha ny mpisorona mba hatao santionany amin\u2019ilay fanatitra. Ary hodorany eo ambony alitara ilay izy mba hidona-tsetroka. Dia hampisotroiny an\u2019ilay vehivavy ilay rano.", "27": "Rehefa ampisotroiny an\u2019ilay vehivavy ilay rano, ary raha nandoto ny tenany izy ka nivadika tamin\u2019ny vadiny, dia hiditra ao anatiny ilay rano mitondra ozona, ka hijalijaly izy. Dia hibontsina ny kibony ka tsy ho afaka hiteraka izy, ary ny anarany no hampiasain\u2019ny fireneny rehefa manozona.", "28": "Raha tsy nandoto ny tenany anefa ilay vehivavy fa madio, dia tsy hiharan\u2019izany sazy izany izy. Dia ho afaka hiteraka izy ka hanan-janaka.", "29": "\u201c\u2018Izany no lal\u00e0na momba ny fahasarotam-piaro, rehefa misy vehivavy manota ka mandoto ny tenany nefa mbola eo ambany fahefan\u2019ny vadiny,", "30": "na koa rehefa misy lehilahy lasa saro-piaro, ka miahiahy hoe nivadika taminy ny vadiny. Tokony hasainy mijoro eo anatrehan\u2019i Jehovah ilay vehivavy, ka hampiharin\u2019ny mpisorona aminy izany lal\u00e0na rehetra izany.", "31": "Tsy hanan-tsiny ilay lehilahy, fa ny vadiny kosa hizaka ny vokatry ny ratsy nataony.\u2019\u201d" }, "6": { "1": "Hoy koa i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:", "2": "\u201cTeneno ny Israelita hoe: \u2018Raha misy lehilahy na vehivavy manao voady manokana ho Nazirita ho an\u2019i Jehovah,", "3": "dia tokony hifady divay sy toaka izy. Tsy hisotro vinaingitra vita amin\u2019ny divay na vita amin\u2019ny zava-pisotro misy alkaola izy. Tsy tokony hisotro ranon-javatra vita amin\u2019ny voaloboka izy, na hihinana voaloboka lena na maina.", "4": "Tsy hihinana na inona na inona avy amin\u2019ny voaloboka izy, na voaloboka manta izany, na ny hoditry ny voaloboka aza, amin\u2019ny andro rehetra maha Nazirita azy.", "5": "\u201c\u2018Tsy tokony hotapahina ny volony amin\u2019ny andro rehetra anefany ny voadiny ho Nazirita. Tokony ho masina foana izy ka havelany ho lava ny volon-dohany, mandra-pahatapitr\u2019ireo andro anokanany tena ho an\u2019i Jehovah.", "6": "Tsy tokony hanakaikikaiky faty izy mandritra ny andro rehetra anokanany tena ho an\u2019i Jehovah.", "7": "Tsy mahazo mandoto ny tenany izy, na dia rehefa maty aza ny rainy na ny reniny na ny rahalahiny na ny anabaviny, satria ny volony lava no amantarana hoe Nazirita eo anatrehan\u2019Andriamaniny izy.", "8": "\u201c\u2018Masina eo anatrehan\u2019i Jehovah izy amin\u2019ny andro rehetra maha Nazirita azy.", "9": "Fa raha misy olona maty tampoka kosa eo akaikiny ka voaloto ilay volo famantarana hoe nanokan-tena ho an\u2019Andriamanitra izy, dia hosolainy ny lohany amin\u2019ny andro hanekena azy hoe madio. Tokony hosolaina izy amin\u2019ny andro fahafito.", "10": "Amin\u2019ny andro fahavalo kosa izy hitondra domohina roa na zana-boromailala roa any amin\u2019ny mpisorona, eo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolay fihaonana.", "11": "Dia hokarakarain\u2019ny mpisorona mba ho fanatitra noho ny ota ny iray, fa ny iray kosa ho fanatitra dorana. Izany no handrakofana ny fahotan\u2019ilay olona nanota noho izy nikasika faty. Dia hanamasina ny lohany ilay olona amin\u2019io andro io.", "12": "Dia ho Nazirita eo anatrehan\u2019i Jehovah indray izy mandritra an\u2019ireo andro maha Nazirita azy. Hitondra ondrilahy kely tsy mihoatra ny herintaona koa izy ho fanatitra noho ny heloka. Tsy hisaina anefa ireo andro teo aloha, satria nolotoiny ny maha Nazirita azy.", "13": "\u201c\u2018Ary izao no lal\u00e0na momba ny Nazirita: Rehefa tapitra ny andro maha Nazirita azy, dia hoentina eo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolay fihaonana izy.", "14": "Dia hatolony ho fanatitra ho an\u2019i Jehovah ireto: Ondrilahy kely iray tsy misy kilema sady tsy mihoatra ny herintaona ho fanatitra dorana, ondrivavy kely iray tsy misy kilema sady tsy mihoatra ny herintaona ho fanatitra noho ny ota, ondrilahy iray tsy misy kilema ho sorona iombonana,", "15": "harona misy mofo boribory vita amin\u2019ny lafarinina tsara toto tsy misy lalivay sady nafangaro menaka, mofo fisaka tsy misy lalivay sady nohosorana menaka, ary ny fanatitra varimbazaha sy ny fanatitra zava-pisotro.", "16": "Hoentin\u2019ilay mpisorona eo anatrehan\u2019i Jehovah daholo ireo. Dia hanolotra ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra dorana aterin\u2019ilay olona izy.", "17": "Hatolony ho an\u2019i Jehovah mba ho sorona iombonana ilay ondrilahy, miaraka amin\u2019ilay harona misy mofo tsy nasiana lalivay. Hatolony miaraka amin\u2019ilay izy koa ny fanatitra varimbazaha sy ny fanatitra zava-pisotro.", "18": "\u201c\u2018Ary hoharatan\u2019ilay Nazirita eo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolay fihaonana ny volon-dohany. Dia halainy ilay volony lava nandritra ny naha Nazirita azy ka hataony ao anaty afo, eo ambanin\u2019ilay sorona iombonana.", "19": "Ary halain\u2019ny mpisorona ny sorok\u2019ilay ondrilahy, dia ny sorony iray efa nandrahoina, sy ny mofo boribory iray tsy misy lalivay avy ao anatin\u2019ilay harona, ary ny mofo fisaka iray tsy misy lalivay. Dia hataony eo am-pelatanan\u2019ilay Nazirita ireo, rehefa avy nasain\u2019ilay Nazirita noharatana ilay famantarana ny maha Nazirita azy.", "20": "Dia hahetsiketsiky ny mpisorona ho fanatitra ahetsiketsika eo anatrehan\u2019i Jehovah ireo. Zava-masina ho an\u2019ny mpisorona ireo, ankoatra ny tratran\u2019ilay ondrilahy atao fanatitra ahetsiketsika sy ny feny atao fanomezana. Aorian\u2019izay dia mahazo misotro divay ilay Nazirita.", "21": "\u201c\u2018Izao no lal\u00e0na momba ny Nazirita manao voady: Raha mivoady izy ka afaka manao fanatitra ho an\u2019i Jehovah ankoatra an\u2019izay efa takina aminy, dia tsy maintsy manefa ny voadiny izy mba hanarahany an\u2019ilay lal\u00e0na momba ny Nazirita.\u2019\u201d", "22": "Ary hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:", "23": "\u201cTeneno i Arona sy ny zanany hoe: \u2018Izao no tsodrano hataonareo amin\u2019ny vahoakan\u2019Israely:", "24": "\u201cEnga anie i Jehovah hitahy anao sy hiaro anao!", "25": "Ho miramirana aminao anie i Jehovah ka hankasitraka anao!", "26": "Ho tsara fanahy aminao anie i Jehovah ka hanome fiadanana anao!\u201d\u2019", "27": "Ary hampiasa ny anarako eo amin\u2019ny vahoakan\u2019Israely izy ireo, mba hitahiako azy.\u201d" }, "7": { "1": "Rehefa voatsangan\u2019i Mosesy ny tranolay masina, dia nohosorany sy nohamasininy tamin\u2019iny andro iny ihany ilay tranolay sy ny kojakojany rehetra, ary ny alitara sy ny fitaovany rehetra. Rehefa avy nohosorany sy nohamasininy ireny,", "2": "dia nanao fanatitra ny mpiadidy teo amin\u2019ny Israely, izany hoe ireo lohan\u2019ny fianakaviambe. Ireo mpiadidy teo amin\u2019ny foko ireo no nanara-maso ny fanisam-bahoaka,", "3": "ary nitondra ny fanatiny teo anatrehan\u2019i Jehovah, dia sarety enina mitafo sy omby 12, ka sarety iray no nomen\u2019ny mpiadidy roa, ary ombilahy iray no nomen\u2019ny mpiadidy tsirairay. Dia nentin\u2019izy ireo teo anoloan\u2019ny tranolay masina ireny.", "4": "Ary hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:", "5": "\u201cRaiso ireo fanatitra nomeny ireo, satria ireo no hampiasaina amin\u2019ny fanompoana ao amin\u2019ny tranolay fihaonana. Tokony homenao ny Levita ireo, araka izay ilain\u2019ny tsirairay amin\u2019ny andraikiny.\u201d", "6": "Noraisin\u2019i Mosesy \u00e0ry ireo sarety sy omby ireo dia nomeny ny Levita.", "7": "Nomeny sarety roa sy omby efatra ny taranak\u2019i Gersona, fa izany no nilainy mba hamitany ny andraikiny.", "8": "Ny taranak\u2019i Merary indray nomeny sarety efatra sy omby valo, fa izany no nilainy mba hamitany ny andraikiny. Ary i Itamara zanak\u2019i Arona mpisorona no niandraikitra azy ireo.", "9": "Tsy nomeny na inona na inona kosa ny taranak\u2019i Kehata, satria nifandray tamin\u2019ny toerana masina ny fanompoana nataon\u2019izy ireo, ary nolanjainy teny an-tsorony ny zava-masina.", "10": "Dia nanao fanatitra indray ny mpiadidy rehefa notokanana ny alitara, tamin\u2019ny andro nanosorana an\u2019ilay izy. Rehefa nanolotra ny fanatiny teo anoloan\u2019ny alitara izy ireo,", "11": "dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy: \u201cMpiadidy iray isan\u2019andro no hanolotra fanatitra hitokanana ny alitara.\u201d", "12": "I Nasona zanak\u2019i Aminadaba avy amin\u2019ny fokon\u2019i Joda no nanolotra ny fanatiny tamin\u2019ny andro voalohany.", "13": "Ny fanatitra nataony dia vilia volafotsy iray milanja 130 sekely, sy vilia baolina volafotsy iray milanja 70\u00a0sekely, araka ny sekely fampiasa ao amin\u2019ny toerana masina, ary samy feno lafarinina tsara toto nafangaro menaka ireo vilia ireo, mba hatao fanatitra varimbazaha;", "14": "kaopy volamena iray milanja 10 sekely feno emboka manitra;", "15": "vantotr\u2019ombilahy iray sy ondrilahy iray ary ondrilahy kely iray tsy mihoatra ny herintaona, hatao fanatitra dorana;", "16": "zanak\u2019osy iray hatao fanatitra noho ny ota;", "17": "ary omby roa sy ondrilahy dimy sy osilahy dimy ary ondrilahy kely dimy izay herintaona avy, hatao sorona iombonana. Ireo no fanatitr\u2019i Nasona zanak\u2019i Aminadaba.", "18": "Tamin\u2019ny andro faharoa, dia i Netanela zanak\u2019i Zoara, mpiadidy teo amin\u2019ny fokon\u2019i Isakara, no nanao fanatitra.", "19": "Ny nentiny hatao fanatitra dia vilia volafotsy iray milanja 130 sekely, sy vilia baolina volafotsy iray milanja 70 sekely, araka ny sekely fampiasa ao amin\u2019ny toerana masina, ary samy feno lafarinina tsara toto nafangaro menaka ireo vilia ireo, mba hatao fanatitra varimbazaha;", "20": "kaopy volamena iray milanja 10 sekely feno emboka manitra;", "21": "vantotr\u2019ombilahy iray sy ondrilahy iray ary ondrilahy kely iray tsy mihoatra ny herintaona, hatao fanatitra dorana;", "22": "zanak\u2019osy iray hatao fanatitra noho ny ota;", "23": "ary omby roa sy ondrilahy dimy sy osilahy dimy ary ondrilahy kely dimy izay herintaona avy, hatao sorona iombonana. Ireo no fanatitr\u2019i Netanela zanak\u2019i Zoara.", "24": "Tamin\u2019ny andro fahatelo, dia i Eliaba zanak\u2019i Helona, mpiadidy teo amin\u2019ny taranak\u2019i Zebolona,", "25": "no nanao fanatitra, dia vilia volafotsy iray milanja 130 sekely, sy vilia baolina volafotsy iray milanja 70\u00a0sekely, araka ny sekely fampiasa ao amin\u2019ny toerana masina, ary samy feno lafarinina tsara toto nafangaro menaka ireo vilia ireo, mba hatao fanatitra varimbazaha;", "26": "kaopy volamena iray milanja 10 sekely feno emboka manitra;", "27": "vantotr\u2019ombilahy iray sy ondrilahy iray ary ondrilahy kely iray tsy mihoatra ny herintaona, hatao fanatitra dorana;", "28": "zanak\u2019osy iray hatao fanatitra noho ny ota;", "29": "ary omby roa sy ondrilahy dimy sy osilahy dimy ary ondrilahy kely dimy izay herintaona avy, hatao sorona iombonana. Ireo no fanatitr\u2019i Eliaba zanak\u2019i Helona.", "30": "Tamin\u2019ny andro fahefatra, dia i Elizora zanak\u2019i Sedeora, mpiadidy teo amin\u2019ny taranak\u2019i Robena,", "31": "no nanao fanatitra, dia vilia volafotsy iray milanja 130 sekely, sy vilia baolina volafotsy iray milanja 70 sekely, araka ny sekely fampiasa ao amin\u2019ny toerana masina, ary samy feno lafarinina tsara toto nafangaro menaka ireo vilia ireo, mba hatao fanatitra varimbazaha;", "32": "kaopy volamena iray milanja 10 sekely feno emboka manitra;", "33": "vantotr\u2019ombilahy iray sy ondrilahy iray ary ondrilahy kely iray tsy mihoatra ny herintaona, hatao fanatitra dorana;", "34": "zanak\u2019osy iray hatao fanatitra noho ny ota;", "35": "ary omby roa sy ondrilahy dimy sy osilahy dimy ary ondrilahy kely dimy izay herintaona avy, hatao sorona iombonana. Ireo no fanatitr\u2019i Elizora zanak\u2019i Sedeora.", "36": "Tamin\u2019ny andro fahadimy, dia i Selomiela zanak\u2019i Zorisaday, mpiadidy teo amin\u2019ny taranak\u2019i Simeona,", "37": "no nanao fanatitra, dia vilia volafotsy iray milanja 130 sekely, sy vilia baolina volafotsy iray milanja 70 sekely, araka ny sekely fampiasa ao amin\u2019ny toerana masina, ary samy feno lafarinina tsara toto nafangaro menaka ireo vilia ireo, mba hatao fanatitra varimbazaha;", "38": "kaopy volamena iray milanja 10 sekely feno emboka manitra;", "39": "vantotr\u2019ombilahy iray sy ondrilahy iray ary ondrilahy kely iray tsy mihoatra ny herintaona, hatao fanatitra dorana;", "40": "zanak\u2019osy iray hatao fanatitra noho ny ota;", "41": "ary omby roa sy ondrilahy dimy sy osilahy dimy ary ondrilahy kely dimy izay herintaona avy, hatao sorona iombonana. Ireo no fanatitr\u2019i Selomiela zanak\u2019i Zorisaday.", "42": "Tamin\u2019ny andro fahenina, dia i Eliasafa zanak\u2019i Doela, mpiadidy teo amin\u2019ny taranak\u2019i Gada,", "43": "no nanao fanatitra, dia vilia volafotsy iray milanja 130 sekely, sy vilia baolina volafotsy iray milanja 70 sekely, araka ny sekely fampiasa ao amin\u2019ny toerana masina, ary samy feno lafarinina tsara toto nafangaro menaka ireo vilia ireo, mba hatao fanatitra varimbazaha;", "44": "kaopy volamena iray milanja 10 sekely feno emboka manitra;", "45": "vantotr\u2019ombilahy iray sy ondrilahy iray ary ondrilahy kely iray tsy mihoatra ny herintaona, hatao fanatitra dorana;", "46": "zanak\u2019osy iray hatao fanatitra noho ny ota;", "47": "ary omby roa sy ondrilahy dimy sy osilahy dimy ary ondrilahy kely dimy i