UNPKG

mg-bibles

Version:

A package for accessing Bible verses in Malagasy (MG), Diem, King James (KJV), and Louis Segond (APEE) versions

440 lines 76.2 kB
{
    "1": {
        "1": "Izao no tenin\u2019i Nehemia zanak\u2019i Hakalia: Tao an-dapan\u2019i Sosana aho tamin\u2019ny volana Kisleo, tamin\u2019ny taona faha-20.",
        "2": "Tamin\u2019izay no tonga i Hanany, anisan\u2019ny rahalahiko, niaraka tamin\u2019ny lehilahy hafa avy tany Joda. Nanontaniako azy ireo hoe manao ahoana ny Jiosy sisa tafaverina avy any an-tsesitany. Nanontaniako momba an\u2019i Jerosalema koa izy ireo.",
        "3": "Dia hoy izy ireo: \u201cTena voa mafy sy afa-baraka ireo sisa avy natao sesitany, izay any amin\u2019ny faritany. Ny mandan\u2019i Jerosalema koa mbola rava, ary kilan\u2019ny afo ny vavahadiny.\u201d",
        "4": "Tafapetraka mihitsy aho raha vao naheno an\u2019izany teny izany, dia nitomany. Nalahelo teny foana aho nandritra ny andro maromaro, ary nifady hanina sy nivavaka teo anatrehan\u2019ilay Andriamanitry ny lanitra.",
        "5": "Dia hoy aho: \u201cRy Jehovah Andriamanitry ny lanitra\u00a0\u00f4! Andriamanitra tena miavaka sady mendrika hatahorana ianao. Manaja ny fifanekena nataonao ianao, ka izay tia anao sy mankat\u00f2 ny didinao no tianao sady tsy ivadihanao.",
        "6": "Mba miangavy anao re aho mba hanongilan-tsofina sy hanokatra ny masonao, ka hihaino an\u2019izao vavaka ataon\u2019ny mpanomponao izao\u00a0e! Mivavaka andro aman\u2019alina momba ny Israelita mpanomponao aho, sady miaiky ny fahotana nataon\u2019ny vahoakan\u2019Israely taminao. Samy efa nanota izahay, na izaho na ny fireneko.",
        "7": "Tena nanao ratsy taminao tokoa izahay, satria tsy mba nanaraka ny didy sy ny fitsipika ary ny didim-pitsarana izay nomenao an\u2019i Mosesy mpanomponao.",
        "8": "\u201cMba tsarovy ny didy nomenao an\u2019i Mosesy mpanomponao hoe: \u2018Raha mivadika amiko ianareo, dia haparitako any amin\u2019ny firenen-kafa.",
        "9": "Raha miverina amiko kosa ianareo ka manaraka ny didiko sy mankat\u00f2 an\u2019ireny, dia hangoniko na dia miparitaka any amin\u2019ny faravodilanitra aza. Dia halaiko avy any ianareo, ka hoentiko any amin\u2019ilay toerana nofidiko mba hametrahako ny anarako.\u2019",
        "10": "Mpanomponao sy vahoakanao izy ireo, ary navotanao tamin\u2019ny herinao lehibe sy ny tananao mahery.",
        "11": "Jehovah\u00a0\u00f4! Miangavy anao re mba hihaino tsara ny vavaka ataon\u2019ity mpanomponao\u00a0e! Mba henoy koa ny vavak\u2019ireo mpanomponao izay faly er\u1ef3 manaja ny anaranao. Ataovy mahomby re izay ataon\u2019ny mpanomponao androany\u00a0e, dia mba ataovy miantra ahy ny mpanjaka.\u201d Mpandroso zava-pisotron\u2019ny mpanjaka aho tamin\u2019izany."
    },
    "2": {
        "1": "Tamin\u2019ny volana Nisana, tamin\u2019ny taona faha-20 nanjakan\u2019i Artaksersesy Mpanjaka, dia noraisiko ny divay teo anoloan\u2019ny mpanjaka ka natolotro azy hoatran\u2019ny mahazatra. Mbola tsy maloka endrika teo anatrehany mihitsy anefa aho, raha tsy tamin\u2019izay.",
        "2": "Dia hoy ny mpanjaka tamiko: \u201cFa maninona ianao no maloka endrika, nefa ianao tsy marary? Misy zavatra mampalahelo ny fonao mihitsy!\u201d Dia natahotra be aho.",
        "3": "Dia hoy aho tamin\u2019ny mpanjaka: \u201cHo ela velona anie ny mpanjaka! Rava ilay tan\u00e0na misy ny fasan-drazako, ary kilan\u2019ny afo ny vavahadiny. Koa nahoana moa aho no tsy ho maloka endrika?\u201d",
        "4": "Ary hoy ny mpanjaka: \u201cInona \u00e0ry no tianao hatao?\u201d Tonga aho dia nivavaka tamin\u2019ilay Andriamanitry ny lanitra.",
        "5": "Dia hoy aho tamin\u2019ny mpanjaka: \u201cRaha mba mety aminao, ry mpanjaka, ary raha mahazo sitraka aminao ny mpanomponao, dia mba alefaso ho any Joda aho, any amin\u2019ny tan\u00e0na misy ny fasan-drazako, mba hanorina azy indray.\u201d",
        "6": "Nipetraka teo anilan\u2019ny mpanjaka ny vadiny tamin\u2019izay. Ary hoy ny mpanjaka tamiko: \u201cHaharitra firy andro ny dianao, ary rahoviana ianao no hiverina?\u201d Dia sitraky ny mpanjaka ny handefa ahy, ka nolazaiko taminy hoe rahoviana aho no hiverina.",
        "7": "Niteny tamin\u2019ny mpanjaka koa aho hoe: \u201cRaha mba mety amin\u2019ny mpanjaka, dia mba manaova taratasy homeko an\u2019ireo governora any amin\u2019ny faritra Ampitan\u2019ny Renirano. Amin\u2019izay aho mba havelan\u2019izy ireo handeha soa aman-tsara mandra-pahatongako any Joda.",
        "8": "Mba manaova koa taratasy homeko an\u2019i Asafa, mpiambina ny alan\u2019ny mpanjaka. Amin\u2019izay izy hanome ahy hazo hanaovako ny vavahadin\u2019ny Lapan\u2019ny Trano, sy ny mandan\u2019ny tan\u00e0na, ary ny trano hipetrahako.\u201d Dia nomen\u2019ny mpanjaka ahy izany, satria nanampy ahy ny tanan\u2019ny Andriamanitro.",
        "9": "Dia tonga tany amin\u2019ireo governora tany amin\u2019ny faritra Ampitan\u2019ny Renirano aho, ka nomeko azy ny taratasin\u2019ny mpanjaka. Nisy lehiben\u2019ny tafika sy mpitaingin-tsoavaly koa nalefan\u2019ny mpanjaka niaraka tamiko.",
        "10": "Rehefa naheno an\u2019izany i Sanbala Horonita sy Tobia, ilay manam-pahefana amonita, dia tonga dia tezitra be izy ireo hoe nisy olona tonga mba hanao soa amin\u2019ny vahoakan\u2019Israely.",
        "11": "Tonga tao Jerosalema aho tamin\u2019ny farany, ary nijanona telo andro tao.",
        "12": "Dia nifoha tamin\u2019ny alina aho, ary nitondra lehilahy vitsivitsy. Ary tsy nolazaiko tamin\u2019iza na iza izay zavatra nataon\u2019Andriamanitro tao am-poko mba hatao amin\u2019i Jerosalema. Tsy nitondra biby afa-tsy ilay nitaingenako aho tamin\u2019izay.",
        "13": "Ary nivoaka avy teo amin\u2019ny Vavahadin\u2019ny Lohasaha aho tamin\u2019ny alina, dia nandalo teo amin\u2019ny Loharanon\u2019ny Bibilava\u00a0Be, ary nankeny amin\u2019ny Vavahadin\u2019ny Lavenona Misavovona. Dia nodinihiko tsara ny mandan\u2019i Jerosalema efa rava sy ny vavahadiny kilan\u2019ny afo.",
        "14": "Dia avy eo aho nankeny amin\u2019ny Vavahadin\u2019ny Loharano sy ny Dobon\u2019ny Mpanjaka. Ary tsy antonona an\u2019ilay biby nitaingenako ny lalana.",
        "15": "Mbola nandeha ihany anefa aho tamin\u2019iny alina iny, dia niakatra nanaraka ny lohasaha, ka nandinika tsara an\u2019ilay manda. Niverina aho avy eo ka niditra teo amin\u2019ny Vavahadin\u2019ny Lohasaha, dia nody.",
        "16": "Tsy nahalala izay nalehako sy nataoko ny solontenam-panjakana. Izaho mantsy mbola tsy niteny na inona na inona tamin\u2019ny Jiosy, sy ny mpisorona, sy ny olona ambony, sy ny solontenam-panjakana, ary ny sisa tamin\u2019ny mpiasa.",
        "17": "Farany, dia hoy aho tamin\u2019izy ireo: \u201cHitanareo izao fa tena voa mafy isika. Rava i Jerosalema ary kilan\u2019ny afo ny vavahadiny. Andao \u00e0ry haorintsika indray ny mandan\u2019i Jerosalema, mba tsy ho afa-baraka intsony isika.\u201d",
        "18": "Dia notantaraiko tamin\u2019izy ireo fa efa nanampy ahy ny tanan\u2019Andriamanitro. Noresahiko taminy koa ny tenin\u2019ny mpanjaka tamiko. Dia hoy izy ireo: \u201cAndao \u00e0ry isika hanorina ny manda.\u201d Koa nifampahery izy ireo mba hanao an\u2019ilay asa.",
        "19": "Ary naheno an\u2019izany i Sanbala Horonita sy Tobia, ilay manam-pahefana amonita, ary Gasema Arabo. Dia nanesoeso sy nanambanimbany anay izy ireo hoe: \u201cFa inona ity ataonareo? Mikomy amin\u2019ny mpanjaka angaha ianareo?\u201d",
        "20": "Dia hoy aho: \u201cIlay Andriamanitry ny lanitra no hampahomby an\u2019izay ataonay. Ary hanorina ny manda izahay mpanompony. Fa ianareo kosa tsy manana anjara na zo eto Jerosalema, sady tsy anisan\u2019ny olona voasoratra ao amin\u2019ny tantarany.\u201d"
    },
    "3": {
        "1": "Nanao ny Vavahadin\u2019ondry i Eliasiba mpisoronabe sy ny mpisorona rahalahiny, ka nanamasina sy nametaka azy io. Nohamasinin\u2019izy ireo koa ny avy eo amin\u2019ilay vavahady ka hatreo amin\u2019ny Tilikambon\u2019i Mea, ary hatrany amin\u2019ny Tilikambon\u2019i Hananela.",
        "2": "Teo akaikin\u2019izy ireo ny olona avy ao Jeriko no nanamboatra ny simba tamin\u2019ny manda, ary nanarakaraka an\u2019ireo i Zakora zanak\u2019i Imry.",
        "3": "Ny taranak\u2019i Hasena indray no nanamboatra ny Vavahadin-trondro. Nataon\u2019izy ireo ny tol\u00e0na, dia napetany ny vavahady sy ny karetsaka ary ny bara hidiny.",
        "4": "Teo akaikin\u2019izy ireo i Meremota zanak\u2019i Oria, zanak\u2019i Hakoza no nanamboatra ny simba, dia avy eo i Mesolama zanak\u2019i Berekia, zanak\u2019i Mesezabela, ary nanarakaraka an\u2019ireo i Zadoka zanak\u2019i Bana.",
        "5": "Ary teo akaikin\u2019izy ireo ny Tekoita no nanamboatra ny simba. Tsy nanetry tena anefa ny olona ambony teo aminy, ka tsy nanaiky hanao ny asa nampanaovin\u2019ny tompony.",
        "6": "Nanamboatra ny simba tamin\u2019ny Vavahadin\u2019ilay Tan\u00e0na Taloha i Joiada zanak\u2019i Pasea sy Mesolama zanak\u2019i Besodia. Nataon\u2019izy ireo ny tol\u00e0na, dia napetany ny vavahady sy ny karetsaka ary ny bara hidiny.",
        "7": "Ary teo akaikin\u2019izy ireo i Melatia Gibeonita sy Jadona Meronotita no nanamboatra ny simba. Avy any Gibeona sy Mizpa izy roa lahy ireo, ary teo ambany fahefan\u2019ny governora at\u1ef3 amin\u2019ny faritra Ampitan\u2019ny Renirano.",
        "8": "Ary teo akaikin\u2019izy ireo i Oziela zanak\u2019i Haraia, anisan\u2019ny mpanefy volamena, no nanamboatra ny simba, dia avy eo i Hanania, anisan\u2019ny mpanamboatra menaka fanosorana. Nataon\u2019izy ireo rarivato ny lalan\u2019i Jerosalema hatreo amin\u2019ny Manda Lehibe.",
        "9": "Ary teo akaikin\u2019izy ireo i Refaia zanak\u2019i Hora, andrianan\u2019ny antsasaky ny faritr\u2019i Jerosalema, no nanamboatra ny simba.",
        "10": "Teo akaikin\u2019izy ireo i Jedaia zanak\u2019i Haromafa no nanamboatra ny simba tandrifin\u2019ny tranony. Ary teo akaikiny i Hatosy zanak\u2019i Hasabnia no nanamboatra ny simba.",
        "11": "Nanamboatra ampahany hafa tamin\u2019ilay manda sy ny Tilikambon\u2019ny Lafaoro i Malkia zanak\u2019i Harima sy Hasoba zanak\u2019i Pahata-moaba.",
        "12": "Ary teo akaikin\u2019izy ireo i Saloma zanak\u2019i Halohesy, andrianan\u2019ny antsasaky ny faritanin\u2019i Jerosalema, sy ny zanany vavy, no nanamboatra ny simba.",
        "13": "Nanamboatra ny simba tamin\u2019ny Vavahadin\u2019ny Lohasaha i Hanona sy ny mponin\u2019i Zanoa. Namboarin\u2019izy ireo indray ilay izy, dia napetany ny vavahady sy ny karetsaka ary ny bara hidiny. Nisy 1\u00a0000\u00a0hakiho koa no namboarin\u2019izy ireo tamin\u2019ilay manda, hatreo amin\u2019ny Vavahadin\u2019ny Lavenona Misavovona.",
        "14": "Ary nanamboatra ny simba tamin\u2019ny Vavahadin\u2019ny Lavenona Misavovona i Malkia zanak\u2019i Rekaba, andrianan\u2019ny faritanin\u2019i Beti-hakerema. Namboariny indray ilay izy, dia napetany ny vavahady sy ny karetsaka ary ny bara hidiny.",
        "15": "Nanamboatra ny simba tamin\u2019ny Vavahadin\u2019ny Loharano i Saloma zanak\u2019i Kola-hoze, andrianan\u2019ny faritanin\u2019i Mizpa. Namboariny indray ilay izy sy ny tafony, dia napetany ny vavahady sy ny karetsaka ary ny bara hidiny. Namboariny koa ny simba tamin\u2019ny manda teo amin\u2019ny Dobon\u2019ny Lakandrano hatreo amin\u2019ny Zaridainan\u2019ny Mpanjaka, sy hatrany amin\u2019ny Tohatoha-bato midina avy any amin\u2019ny Tan\u00e0nan\u2019i Davida.",
        "16": "Nanarakaraka azy i Nehemia zanak\u2019i Azboka, andrianan\u2019ny antsasaky ny faritanin\u2019i Beti-zora. Namboariny ny simba tandrifin\u2019ny Fasan\u2019i Davida ka hatrany amin\u2019ilay dobo nataon\u2019olona, ary hatreo amin\u2019ny Tranon\u2019ireo Mahery.",
        "17": "Ary teo akaikiny ny Levita no nanamboatra ny simba, ka i Rehoma zanak\u2019i Bany no nitarika azy ireo. Nanarakaraka azy i Hasabia, andrianan\u2019ny antsasaky ny faritanin\u2019i Keila sady solontenan\u2019ny faritaniny.",
        "18": "Ary teo akaikiny ny Levita hafa no nanamboatra ny simba, ka nitarika azy ireo i Bavay zanak\u2019i Henadada, andrianan\u2019ny antsasaky ny faritanin\u2019i Keila.",
        "19": "Ary nanarakaraka azy i Ezera zanak\u2019i Jesoa, andrianan\u2019i Mizpa. Namboariny ny ampahany hafa tamin\u2019ilay manda, tandrifin\u2019ny fiakarana mankany amin\u2019ilay Fitehirizam-piadiana eo amin\u2019ny Andry Manohana ny Manda.",
        "20": "Nanarakaraka azy i Baroka zanak\u2019i Zabay. Nazoto be izy nanamboatra ny ampahany hafa tamin\u2019ilay manda, nanomboka teo amin\u2019ny Andry Manohana ny Manda ka hatrany amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranon\u2019i Eliasiba mpisoronabe.",
        "21": "Nanarakaraka azy i Meremota zanak\u2019i Oria, zanak\u2019i Hakoza. Nanamboatra ampahany hafa tamin\u2019ilay manda izy, nanomboka teo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranon\u2019i Eliasiba ka hatrany amin\u2019ny faran\u2019io trano\u00a0io.",
        "22": "Ary teo akaikiny ny mpisorona avy any amin\u2019ny faritr\u2019i Jordana no nanamboatra ny simba.",
        "23": "Nanarakaraka an\u2019ireo i Benjamina sy Hasoba, izay nanamboatra ny simba tandrifin\u2019ny tranony avy, dia avy eo i Azaria zanak\u2019i Mahaseia, zanak\u2019i Anania, izay nanamboatra ny simba teo akaikin\u2019ny tranony.",
        "24": "Nanarakaraka azy i Binoy zanak\u2019i Henadada, izay nanamboatra ampahany hafa tamin\u2019ilay manda, nanomboka teo amin\u2019ny tranon\u2019i Azaria ka hatrany amin\u2019ny Andry Manohana ny Manda ary hatrany amin\u2019ny zoron\u2019ilay manda.",
        "25": "Nanarakaraka azy i Palala zanak\u2019i Ozay, izay nanamboatra ny simba tandrifin\u2019ny Andry Manohana ny Manda sy tandrifin\u2019ilay tilikambo mikambana amin\u2019ny Tranon\u2019ny Mpanjaka, dia ilay eo ambony ao amin\u2019ny Tokotanin\u2019ny Mpiambina. Ary nanarakaraka azy i Pedaia zanak\u2019i Parosy.",
        "26": "Ny mpanompo tao amin\u2019ny tempoly izay nipetraka tao Ofela no nanamboatra ny simba hatreo amin\u2019ny tandrifin\u2019ny Vavahadin-drano any atsinanana, sy hatrany amin\u2019ilay tilikambo mivohitra eo amin\u2019ny manda.",
        "27": "Nanarakaraka an\u2019ireo ny Tekoita, izay nanamboatra ampahany hafa tamin\u2019ilay manda, nanomboka teo amin\u2019ilay tilikambo lehibe mivohitra eo amin\u2019ny manda ka hatrany amin\u2019ny mandan\u2019i Ofela.",
        "28": "Ny mpisorona kosa nanamboatra ny simba tandrifin\u2019ny tranony avy, nanomboka teo amin\u2019ny Vavahadin-tsoavaly.",
        "29": "Nanarakaraka an\u2019ireo i Zadoka zanak\u2019i Imera, izay nanamboatra ny simba tandrifin\u2019ny tranony. Nanarakaraka azy indray i Semaia zanak\u2019i Sekania, ilay mpiandry ny Vavahady Atsinanana.",
        "30": "Nanarakaraka azy i Hanania zanak\u2019i Selemia sy Hanona, izay fahenina amin\u2019ny zanak\u2019i Zalafa. Nanamboatra ampahany hafa tamin\u2019ilay manda izy ireo. Nanarakaraka an\u2019ireo kosa i Mesolama zanak\u2019i Berekia, izay nanamboatra ny simba tandrifin\u2019ny efitranony.",
        "31": "Nanarakaraka azy i Malkia, izay anisan\u2019ny mpanefy volamena. Namboariny ny simba hatrany amin\u2019ny tranon\u2019ny mpanompo tao amin\u2019ny tempoly sy ny mpivarotra, tandrifin\u2019ny Vavahady Fanaraha-maso, ary hatrany amin\u2019ilay efitra any an-tampon-trano eo amin\u2019ny zorony.",
        "32": "Ary ny mpanefy volamena sy ny mpivarotra no nanamboatra ny simba teo anelanelan\u2019ny efitra any an-tampon-trano eo amin\u2019ny zorony sy ny Vavahadin\u2019ondry."
    },
    "4": {
        "1": "Raha vao henon\u2019i Sanbala fa nanorina ny manda indray izahay, dia tezitra izy sady sosotra be mihitsy, ka nesoesoiny foana ny Jiosy.",
        "2": "Dia hoy izy teo anatrehan\u2019ny rahalahiny sy ny tafik\u2019i Samaria: \u201cInona koa no ataon\u2019ireo Jiosy kely\u00a0aina ireo? Ry zareo irery ve dia hahavita an\u2019io? Hanao sorona angaha ry zareo? Angaha io ho vitany indray\u00a0andro? Tadiaviny hampiasaina indray angaha ireo vato efa kilan\u2019ny afo ao anaty potipoti-javatra feno vovoka ireo?\u201d",
        "3": "Ary hoy i Tobia Amonita, izay nitsangana teo akaikiny: \u201cNa amboadia iray aza no mianika an\u2019io manda vato aoriny io, dia hirodana io.\u201d",
        "4": "\u201cMba mihainoa, ry Andriamanitray\u00a0\u00f4, fa atao tsinontsinona izahay. Ary avelao hivaly aminy ny latsa ataony, ka avelao izy ho voaroba sy ho babo any an-tanin\u2019olona.",
        "5": "Aza odiana tsy hita izao fahadisoany izao, ary aza kosehina ny fahotany. Fa nanompa an\u2019ireo mpanao fanorenana izy.\u201d",
        "6": "Dia mbola naorinay ihany ny manda, ka vitanay hatreo\u00a0amin\u2019 ny antsasaky ny haavony izy manontolo. Ary niasa tamin\u2019ny fony manontolo foana ny olona.",
        "7": "Dia tezitra be ry Sanbala sy Tobia, ny Arabo, ny Amonita, ary ny Asdodita, raha vao henony fa mandroso ny fanamboarana ny mandan\u2019i Jerosalema, sady efa kely sisa dia ho voatampina ny banga rehetra.",
        "8": "Dia niray tetika izy ireo hoe ho avy hiady amin\u2019i Jerosalema sy hanakorontana ny ao an-tan\u00e0na.",
        "9": "Nivavaka tamin\u2019ny Andriamanitray anefa izahay, ary nametraka mpiambina andro aman\u2019alina mba hiaro anay.",
        "10": "Hoy anefa ny mponin\u2019i Joda: \u201cEfa kely ny herin\u2019ny mpiasa nefa mbola be dia be ny potipoti-bato mila esorina. Ary tsy ho vitanay mihitsy ny hanorina ny manda.\u201d",
        "11": "Hoy foana koa ny fahavalonay: \u201cTsy hataontsika hitan\u2019ireo ny hahatongavantsika eny, dia hovonointsika ireo, dia hajanontsika ny asany.\u201d",
        "12": "Isaky ny tonga tat\u1ef3 ny Jiosy mipetraka any akaikin\u2019ny fahavalo, dia impolo kely izy ireo no niteny taminay hoe: \u201cHo tonga hanafika antsika avy any amin\u2019ny faritra rehetra ny fahavalo.\u201d",
        "13": "Dia nasiako mpiambina teny amin\u2019ny faritra iva ivelan\u2019ny manda, teny amin\u2019ny toerana malalaka. Nasaiko niambina isam-pianakaviana izy ireo, ka samy nitondra ny sabany sy ny lefony ary ny tsip\u00eckany.",
        "14": "Raha vao hitako hoe natahotra izy ireo, dia hoy aho tamin\u2019ny olona ambony sy ny solontenam-panjakana ary ny vahoaka: \u201cAza matahotra an\u2019ireny, fa i Jehovah, ilay tena miavaka sy mendrika hatahorana, no tadidio. Miadia ho an\u2019ny rahalahinareo, sy ho an\u2019ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy, ary ho an\u2019ny vadinareo sy ny tranonareo.\u201d",
        "15": "Henon\u2019ny fahavalonay fa fantatray ny tetik\u2019izy ireo sady nataon\u2019Andriamanitra tsy nahomby. Dia niverina niasa teny amin\u2019ny manda izahay rehetra.",
        "16": "Nanomboka tamin\u2019izay andro izay, dia ny antsasaky ny lehilahy no niasa, fa ny antsasany kosa nitana lefona sy ampinga ary tsip\u00ecka sady nanao akanjo mifono vy. Ny andriana indray nanohana ny taranak\u2019i Joda manontolo",
        "17": "izay nanorina ny manda. Niasa tamin\u2019ny tanany ilany ny mpiasa, fa ny tanany ilany kosa nitazona fitaovam-piadiana.",
        "18": "Samy nanana sabatra teo amin\u2019ny fehikibony ny mpanao fanorenana rehefa niasa. Ary nijoro teo akaikiko ilay mpitsoka anjombona.",
        "19": "Dia hoy aho tamin\u2019ny olona ambony sy ny solontenam-panjakana ary ny vahoaka: \u201cMbola betsaka sady goavana ny asa, nefa isika miparitaka be eny amin\u2019ny manda ka mifanalavitra.",
        "20": "Rehefa mandre feon\u2019anjombona \u00e0ry ianareo, dia tongava daholo any amin\u2019izay misy anay. Fa hiady ho antsika ny Andriamanitsika.\u201d",
        "21": "Dia niasa foana ny antsasany taminay, fa ny antsasany kosa nitana lefona, nanomboka vao mangiran-dratsy ka mandra-pipoitran\u2019ny kintana.",
        "22": "Izao koa no noteneniko tamin\u2019ny vahoaka, tamin\u2019izay fotoana izay: \u201cAleo samy hatory eto Jerosalema ny lehilahy tsirairay sy ny mpanompony, ka hiambina antsika izy ireo amin\u2019ny alina, fa hiasa kosa amin\u2019ny antoandro.\u201d",
        "23": "Samy tsy nisolo akanjo \u00e0ry na izaho, na ny rahalahiko, na ny mpanompoko, na ny lehilahy mpiambina nanaraka ahy. Samy nitana fitaovam-piadiana teny an-tananay ankavanana koa izahay."
    },
    "5": {
        "1": "Nitaraina mafy anefa ny lehilahy sy ny vadin\u2019izy ireo, noho ny nataon\u2019ny Jiosy rahalahiny.",
        "2": "Ny sasany niteny hoe: \u201cBe dia be izahay, miaraka amin\u2019ny zanakay lahy sy ny zanakay vavy. Mila mahazo varimbazaha izahay mba hohaninay sy hahavelona anay.\u201d",
        "3": "Tao koa ny nilaza hoe: \u201cNy sahanay sy ny tanimboalobokay ary ny tranonay no ataonay antoka, mba hahazoanay varimbazaha rehefa tsy misy ny sakafo.\u201d",
        "4": "Dia nisy koa niteny hoe: \u201cNindram-bola izahay handoavana hetra ho an\u2019ny mpanjaka, ka ny sahanay sy ny tanimboalobokay no nataonay antoka.",
        "5": "Iray ra ihany izahay sy ny rahalahinay, ary hoatran\u2019ny zanak\u2019izy ireo ihany ny zanakay. Izahay anefa voatery mivarotra ny zanakay lahy sy ny zanakay vavy ho andevo, ary ny zanakay vavy sasany aza efa lasa andevo mihitsy. Tsy afa-manoatra anefa izahay, satria efa lasan\u2019olona ny sahanay sy ny tanimboalobokay.\u201d",
        "6": "Tezitra be aho rehefa naheno azy ireo nitaraina sy niteny an\u2019izany.",
        "7": "Nandinika tsara an\u2019ilay raharaha aho, dia nomeko tsiny ny olona ambony sy ny solontenam-panjakana. Dia hoy aho tamin\u2019izy ireo: \u201cSamy mitaky zanabola amin\u2019ny rahalahinareo daholo ianareo.\u201d Nandamina fivoriana lehibe koa aho noho ny nataon\u2019izy ireo.",
        "8": "Dia hoy aho tamin\u2019izy ireo: \u201cIzahay aza efa nanao izay fara herinay mba hanavotana an\u2019ireo Jiosy rahalahintsika namidy tamin\u2019ny firenen-kafa, koa ianareo indray ve no hivarotra ny rahalahinareo? Dia tsy maintsy hividy an-dry zareo indray ve izahay mba hanavotana azy?\u201d Tsy nahateny tsy nahavolana izy ireo tamin\u2019izay.",
        "9": "Niteny koa aho hoe: \u201cTsy mety izao ataonareo izao. Tsy tokony hatahotra an\u2019Andriamanitsika foana ve ianareo, mba tsy ho afaka handatsa antsika ny firenena fahavalontsika?",
        "10": "Izaho sy ny rahalahiko ary ny mpanompoko koa mba mampindrana vola sy varimbazaha amin\u2019ny Jiosy. Dia andao re isika mba tsy hitaky zanabola intsony\u00a0e!",
        "11": "Mba avereno aminy androany\u00a0dia\u00a0androany ihany re ny sahany sy ny tanimboliny sy ny sahan\u2019olivany ary ny tranony\u00a0e! Avereno aminy koa ny zanabola nalainareo taminy, izany hoe ny ampahazaton\u2019ny vola sy ny varimbazaha sy ny divay vaovao ary ny menaka.\u201d",
        "12": "Dia hoy izy ireo: \u201cHaverinay ireny zavatra ireny, ka tsy hitaky na inona na inona amin-dry zareo izahay ho takalon\u2019izany. Hotanterahinay an-tsakany sy an-davany ny teninao.\u201d Dia nantsoiko ny mpisorona, ary nasaiko nianiana ireo lehilahy ireo hoe hitana ny teniny.",
        "13": "Ary nakopako ny akanjoko, dia hoy aho: \u201cHakopak\u2019ilay tena Andriamanitra hoatr\u2019izany koa izay olona tsy manatanteraka an\u2019izany teny izany. Hakopany hiala amin\u2019ny tranony sy ny fananany izy, ka tsy hanana na inona na inona intsony.\u201d Dia hoy ny fiangonana manontolo: \u201cAmena!\u201d Koa nidera an\u2019i Jehovah izy ireo, ary samy nitana ny teniny ny olona.",
        "14": "Samy tsy nisy nihinana ny anjara sakafo tokony ho an\u2019ny governora koa izaho sy ny rahalahiko, nandritra ny 12\u00a0taona, izany hoe nanomboka tamin\u2019ny andro nanendren\u2019ny mpanjaka ahy ho governoran\u2019izy ireo teto amin\u2019ny tanin\u2019i Joda, tamin\u2019ny taona faha-20, ka hatramin\u2019ny taona faha-32 nanjakan\u2019i Artaksersesy Mpanjaka.",
        "15": "Izay governora talohako anefa nampitondra enta-mavesatra ny vahoaka, ka nitaky volafotsy 40 sekely taminy isan\u2019andro, ho vidin\u2019ny sakafo sy ny divay. Nampijaly ny vahoaka koa ny mpanompon\u2019izy ireo. Tsy mba nanao an\u2019izany anefa aho satria natahotra an\u2019Andriamanitra.",
        "16": "Nandray anjara tamin\u2019ny fanamboarana an\u2019ilay manda koa aho. Niaraka nanao an\u2019ilay asa daholo ny mpanompoko rehetra, nefa na tanimboly iray aza tsy nalainay.",
        "17": "Ary nisy Jiosy sy solontenam-panjakana nisakafo teo amin\u2019ny latabatro. Nisy 150 izy ireo, ankoatra an\u2019ireo tonga teo aminay avy any amin\u2019ny firenena manodidina.",
        "18": "Omby iray sy ondry enina voafantina ary vorona no nokarakaraina ho ahy isan\u2019andro. Nisy divay be dia be isan-karazany koa isaky ny folo andro. Na izany aza, dia tsy nitaky ny anjara sakafo tokony ho an\u2019ny governora aho, satria efa mafy be ny asa nampanaovina ny vahoaka.",
        "19": "\u201cMba tsarovy aho ka tahio, ry Andriamanitro\u00a0\u00f4, noho izay rehetra nataoko ho an\u2019ity vahoaka ity.\u201d"
    },
    "6": {
        "1": "Henon\u2019i Sanbala sy Tobia sy Gasema Arabo ary ny sisa tamin\u2019ny fahavalonay fa voaoriko indray ny manda ka tsy misy gorobaka intsony, na dia mbola tsy voapetako aza ny vavahady.",
        "2": "Tonga \u00e0ry dia nandefa an\u2019izao hafatra izao tat\u1ef3 amiko i Sanbala sy Gasema: \u201cAndao isika hifanao fotoana any amin\u2019ny tan\u00e0na kely eo amin\u2019ny Lohasahan\u2019i Ono.\u201d Niray tetika hanisy ratsy ahy anefa izy ireo.",
        "3": "Dia naniraka olona tany aminy aho mba hiteny hoe: \u201cMbola manao asa goavana be aho, ka tsy afaka midina any. Nahoana ny asa no hajanona ka havela eo, dia izaho ho any aminareo?\u201d",
        "4": "Inefatra izy ireo no nandefa izany hafatra izany tat\u1ef3 amiko, fa tsy niova mihitsy ny valin-teniko.",
        "5": "Dia nirahin\u2019i Sanbala tat\u1ef3 amiko hilaza an\u2019izany hafatra izany fanindiminy ny mpanompony, sady nampitondrainy taratasy tsy misy tombo-kase.",
        "6": "Izao no voasoratra tao: \u201cMalaza any amin\u2019ireo firenena fa miray tetika ny hikomy ianao sy ny Jiosy, ary izany koa no nolazain\u2019i Gasema. Izany, hono, no antony anorenanao ny manda. Dia ho lasa mpanjakan\u2019izy ireo, hono, ianao.",
        "7": "Dia nanendry mpaminany mihitsy aza, hono, ianao mba hiresaka momba anao eran\u2019i Jerosalema hoe: \u2018Misy mpanjaka eto Joda!\u2019 Tsy maintsy hisy hitantara amin\u2019ny mpanjaka anefa izany. Tongava \u00e0ry at\u1ef3, dia andao isika handinika an\u2019izany.\u201d",
        "8": "Nandefa hafatra tany aminy anefa aho hoe: \u201cTsy misy akory izany, fa mamoromporona fotsiny ianao.\u201d",
        "9": "Te hampitahotra anay mantsy izy rehetra, ka nilaza hoe: \u201cTsy hazoto hiasa intsony ireo, dia tsy ho vita ilay asa.\u201d Dia nivavaka aho hoe: \u201cMba ampaherezo aho, Andriamanitra\u00a0\u00f4!\u201d",
        "10": "Ary nankany an-tranon\u2019i Semaia zanak\u2019i Delaia, zanak\u2019i Mehetebela, aho tamin\u2019izy nihiboka tao an-tranony. Dia hoy izy: \u201cAndao isika hifanao fotoana ao an-tranon\u2019ilay tena Andriamanitra, ao amin\u2019ny tempoly, ka hohidiantsika ny varavarana. Ho avy hamono anao mantsy ry zareo. Sady amin\u2019ny alina mihitsy ry zareo no ho avy.\u201d",
        "11": "Hoy anefa aho: \u201cLehilahy hoatran\u2019ahy izao ve dia handositra? Olona hoatran\u2019ahy izao ve no miditra ao amin\u2019ny tempoly dia ho velona? Izaho tsy ho any!\u201d",
        "12": "Dia fantatro hoe hay tsy Andriamanitra no naniraka an\u2019io mpaminany io, fa nokaramain\u2019i Tobia sy Sanbala izy mba hamitaka ahy.",
        "13": "Nokaramain-dry zareo izy hampitahotra ahy ka hahatonga ahy hanota. Ho afaka hanaratsy laza ahy izy ireo amin\u2019izay, mba hanalana baraka ahy.",
        "14": "\u201cTsarovy izany nataon\u2019i Tobia sy Sanbala izany, ry Andriamanitro\u00a0\u00f4! Tsarovy koa ny nataon\u2019i Noadia mpaminanivavy sy ny mpaminany hafa izay nitady hampitahotra ahy foana.\u201d",
        "15": "Dia vita ilay manda tamin\u2019ny andro faha-25 amin\u2019ny volana Elola, izany hoe tao anatin\u2019ny 52\u00a0andro.",
        "16": "Raha vao henon\u2019ny fahavalonay rehetra izany sady hitan\u2019ny firenena rehetra nanodidina anay, dia menatra be izy ireo. Dia fantany fa nanampy anay ny Andriamanitray matoa vitanay ilay asa.",
        "17": "Nandefa taratasy maro be tany amin\u2019i Tobia ny olona ambony tao Joda, tamin\u2019izany andro izany. Dia namaly azy ireo koa i Tobia.",
        "18": "Betsaka ny olona tao Joda no efa nianiana fa hanohana azy, noho izy vinantolahin\u2019i Sekania zanak\u2019i Ara. I Johanana zanany lahy koa efa nanambady ny zanakavavin\u2019i Mesolama zanak\u2019i Berekia.",
        "19": "Nanatsaratsara an\u2019i Tobia foana koa izy ireo rehefa niresaka tamiko, dia notantarainy tamin\u2019i Tobia avy eo ny zavatra noteneniko. Nandefasan\u2019i Tobia taratasy be dia be \u00e0ry aho mba hampitahorana ahy."
    },
    "7": {
        "1": "Raha vao voaorina indray ny manda, dia napetako ny vavahady. Notendrena koa ny mpiandry vavahady sy ny mpihira ary ny Levita.",
        "2": "Notendreko hiandraikitra an\u2019i Jerosalema koa i Hanany rahalahiko. Notendreko koa i Hanania lehiben\u2019ny Lapa, satria faran\u2019izay mendri-pitokisana izy, sady natahotra an\u2019ilay tena Andriamanitra mihoatra noho ny olona maro.",
        "3": "Dia hoy aho tamin\u2019izy ireo: \u201cTsy tokony hosokafana ny vavahadin\u2019i Jerosalema raha tsy efa midanika ny masoandro. Rehefa mijoro eo ny mpiandry vavahady, dia tokony hakatony ny vavahady ka hohidiany amin\u2019ny karetsaka. Ary ny mponin\u2019i Jerosalema no tendreo ho mpiambina, ka samy hiambina eo amin\u2019ny toerana anendrena azy sy eo alohan\u2019ny tranony avy izy ireo.\u201d",
        "4": "Nivelatra sady lehibe ilay tan\u00e0na, nefa vitsy olona ary mbola tsy voaorina ny trano tao.",
        "5": "Nataon\u2019Andriamanitro tao am-poko anefa ny hamory ny olona ambony sy ny solontenam-panjakana ary ny vahoaka, mba hosoratana anarana ao amin\u2019ny tetirazana izy ireo. Dia hitako ilay boky misy ny tetirazan\u2019ireo tafaverina voalohany avy tany an-tsesitany, ka hitako voasoratra tao hoe:",
        "6": "Ireto ny olona avy any amin\u2019ny faritany tonga avy any Babylona. Anisan\u2019ny nataon\u2019i Nebokadnezara mpanjakan\u2019i Babylona sesitany izy ireo. Samy niverina tany amin\u2019ny tan\u00e0nany tany Jerosalema sy Joda izy ireo, tat\u1ef3 aoriana,",
        "7": "ary niara-tonga tamin\u2019i Zerobabela, Jesoa, Nehemia, Azaria, Ramia, Nahanany, Mordekay, Bilsana, Mispereta, Bigvay, Nehoma, ary Bana. Ireto ny isan\u2019ny lehilahy israelita:",
        "8": "Nisy 2\u00a0172 ny taranak\u2019i Parosy,",
        "9": "372 ny taranak\u2019i Sefatia,",
        "10": "652 ny taranak\u2019i Ara,",
        "11": "2\u00a0818 ny taranak\u2019i Pahata-moaba, avy amin\u2019ny taranak\u2019i Jesoa sy Joaba,",
        "12": "1\u00a0254 ny taranak\u2019i Elama,",
        "13": "845 ny taranak\u2019i Zato,",
        "14": "760 ny taranak\u2019i Zakay,",
        "15": "648 ny taranak\u2019i Binoy,",
        "16": "628 ny taranak\u2019i Bebay,",
        "17": "2\u00a0322 ny taranak\u2019i Azgada,",
        "18": "667 ny taranak\u2019i Adonikama,",
        "19": "2\u00a0067 ny taranak\u2019i Bigvay,",
        "20": "655 ny taranak\u2019i Adina,",
        "21": "98\u00a0ny taranak\u2019i Atera, avy amin\u2019ny ankohonan\u2019i Hezekia,",
        "22": "328 ny taranak\u2019i Hasoma,",
        "23": "324 ny taranak\u2019i Bezay,",
        "24": "112 ny taranak\u2019i Harifa,",
        "25": "95 ny avy any Gibeona,",
        "26": "188 ny avy any Betlehema sy Netofa,",
        "27": "128 ny Anatotita,",
        "28": "42 ny avy any Beti-azmaveta,",
        "29": "743 ny avy any Kiriata-jearima sy Kefira ary Berota,",
        "30": "621 ny avy any Rama sy Geba,",
        "31": "122 ny avy any Mikmasy,",
        "32": "123 ny avy any Betela sy Ay,",
        "33": "52 ny avy any amin\u2019ilay Nebo anankiray,",
        "34": "1\u00a0254 ny taranak\u2019ilay Elama anankiray,",
        "35": "320 ny taranak\u2019i Harima,",
        "36": "345 ny avy any Jeriko,",
        "37": "721 ny avy any Loda sy Hadida ary Ono,",
        "38": "ary 3\u00a0930 ny taranak\u2019i Sena.",
        "39": "Ireto ny mpisorona: Nisy 973 ny taranak\u2019i Jedaia avy amin\u2019ny ankohonan\u2019i Jesoa,",
        "40": "1\u00a0052 ny taranak\u2019i Imera,",
        "41": "1\u00a0247 ny taranak\u2019i Pasora,",
        "42": "ary 1\u00a0017 ny taranak\u2019i Harima.",
        "43": "Ireto ny Levita: Nisy 74 ny taranak\u2019i Jesoa, izany hoe ny taranak\u2019i Kadmiela, avy amin\u2019ny taranak\u2019i Hodeva.",
        "44": "Nisy 148 ny mpihira taranak\u2019i Asafa.",
        "45": "Ireto kosa ny mpiandry vavahady: Ny taranak\u2019i Saloma, ny taranak\u2019i Atera, ny taranak\u2019i Talmona, ny taranak\u2019i Akoba, ny taranak\u2019i Hatita, ary ny taranak\u2019i Sobay. Nisy 138 izy ireo.",
        "46": "Ireto ny mpanompo tao amin\u2019ny tempoly: Ny taranak\u2019i Ziha, ny taranak\u2019i Hasofa, ny taranak\u2019i Tabaota,",
        "47": "ny taranak\u2019i Kerosa, ny taranak\u2019i Sia, ny taranak\u2019i Padona,",
        "48": "ny taranak\u2019i Lebana, ny taranak\u2019i Hagabaha, ny taranak\u2019i Salmay,",
        "49": "ny taranak\u2019i Hanana, ny taranak\u2019i Gidela, ny taranak\u2019i Gahara,",
        "50": "ny taranak\u2019i Reaia, ny taranak\u2019i Rezina, ny taranak\u2019i Nekoda,",
        "51": "ny taranak\u2019i Gazama, ny taranak\u2019i Oza, ny taranak\u2019i Pasea,",
        "52": "ny taranak\u2019i Besay, ny taranaky ny Meonita, ny taranak\u2019i Nefosima,",
        "53": "ny taranak\u2019i Bakboka, ny taranak\u2019i Hakafa, ny taranak\u2019i Harora,",
        "54": "ny taranak\u2019i Bazlita, ny taranak\u2019i Mehida, ny taranak\u2019i Harsa,",
        "55": "ny taranak\u2019i Barkosa, ny taranak\u2019i Sisera, ny taranak\u2019i Tema,",
        "56": "ny taranak\u2019i Nezia, ary ny taranak\u2019i Hatifa.",
        "57": "Ireto avy ny taranaky ny mpanompon\u2019i Solomona: Ny taranak\u2019i Sotahy, ny taranak\u2019i Sofereta, ny taranak\u2019i Perida,",
        "58": "ny taranak\u2019i Jala, ny taranak\u2019i Darkona, ny taranak\u2019i Gidela,",
        "59": "ny taranak\u2019i Sefatia, ny taranak\u2019i Hatila, ny taranak\u2019i Pokereta-hazebaima, ary ny taranak\u2019i Amona.",
        "60": "Nisy 392 ny mpanompo tao amin\u2019ny tempoly sy ny taranaky ny mpanompon\u2019i Solomona.",
        "61": "Ary ireto avy no niakatra avy tany Tela-mela sy Tela-harsa sy Keroba sy Adona ary Imera, nefa tsy afaka nanamarina hoe iza ny fianakaviambeny avy amin\u2019ny rainy ary inona ny fiaviany, na hoe Israelita izy sa tsia:",
        "62": "Ny taranak\u2019i Delaia sy ny taranak\u2019i Tobia ary ny taranak\u2019i Nekoda, izay nisy 642.",
        "63": "Ireto ny avy amin\u2019ny mpisorona: Ny taranak\u2019i Habaia sy ny taranak\u2019i Hakoza ary ny taranak\u2019i Barzilay, ilay naka vady tamin\u2019ny zanakavavin\u2019i Barzilay Gileadita ka nantsoina tamin\u2019ny anaran\u2019ny rafozany.",
        "64": "Ireo no nitady ny lisitra tokony hisy ny anarany mba hanamarinana ny razambe niaviany. Tsy hita tao anefa ny anarany, ka tsy navela ho anisan\u2019ny mpisorona izy ireo.",
        "65": "Nilaza tamin\u2019izy ireo ny governora fa tsy tokony hihinana ny zavatra masina indrindra izy ireo, raha tsy rehefa misy mpisorona afaka mamantatra an\u2019izany amin\u2019ny Orima sy Tomima.",
        "66": "Nisy 42\u00a0360 ny fitambaran\u2019ny fiangonana manontolo,",
        "67": "ankoatra ny mpanompolahy sy mpanompovavy 7\u00a0337. Nanana mpihira lahy sy vavy 245 koa izy ireo.",
        "68": "Nanana soavaly 736 izy ireo, ramole 245,",
        "69": "rameva 435, ary ampondra 6\u00a0720.",
        "70": "Nanao fanomezana ho an\u2019ilay asa ny sasany tamin\u2019ireo lohan\u2019ny fianakaviambe. Ireto koa no nomen\u2019ny governora mba hatao ao amin\u2019ny tahiry: 1\u00a0000 drakma volamena sy vilia baolina 50 ary akanjo lava 530 ho an\u2019ny mpisorona.",
        "71": "Nanome 20\u00a0000 drakma volamena sy 2\u00a0200 mina volafotsy ny sasany tamin\u2019ireo lohan\u2019ny fianakaviambe, mba hatao ao amin\u2019ny tahiry hanaovana an\u2019ilay asa.",
        "72": "Ny sisa tamin\u2019ny vahoaka kosa nanome 20\u00a0000 drakma volamena sy 2\u00a0000 mina volafotsy, ary akanjo lava 67 ho an\u2019ny mpisorona.",
        "73": "Nipetraka tany amin\u2019ny tan\u00e0nany avy ny mpisorona, ny Levita, ny mpiandry vavahady, ny mpihira, ny olona sasany, ny mpanompo tao amin\u2019ny tempoly, ary ny sisa tamin\u2019ny Israely rehetra. Efa nipetraka tany amin\u2019ny tan\u00e0nany avy ny Israelita, rehefa tonga ny volana fahafito."
    },
    "8": {
        "1": "Niray saina ny vahoaka manontolo ka nivory teo amin\u2019ilay tany malalaka tandrifin\u2019ny Vavahadin-drano. Dia nasain\u2019izy ireo nentin\u2019i Ezra, mpanao dika soratra, ny boky misy ny Lal\u00e0n\u2019i Mosesy izay nandidian\u2019i Jehovah ny Israely.",
        "2": "Nentin\u2019i Ezra mpisorona teo anatrehan\u2019ny fiangonana \u00e0ry ilay boky. Tafavory teo ny lehilahy sy ny vehivavy ary izay rehetra afaka mihaino ka efa mahazo\u00a0hevitra. Andro voalohan\u2019ny volana fahafito tamin\u2019izay.",
        "3": "Teo anoloan\u2019ny tany malalaka tandrifin\u2019ny Vavahadin-drano i Ezra, dia novakiny mafy tamin\u2019ny lehilahy sy ny vehivavy ary izay efa mahazo\u00a0hevitra ilay boky misy ny Lal\u00e0na. Vao maraina be ka hatramin\u2019ny mitataovovonana izy no namaky, ary nihaino tsara an\u2019izay novakina ny olona.",
        "4": "Nijoro teo amin\u2019ilay lampihazo natao ho an\u2019io fotoan-dehibe io i Ezra mpanao dika soratra. Niaraka nijoro taminy teo koa i Matitia, Sema, Anaia, Oria, Hilkia, ary Mahaseia, ary teo ankavanany izy ireo. Teo ankaviany kosa i Pedaia, Misaela, Malkia, Hasoma, Hasbadana, Zakaria, ary Mesolama.",
        "5": "Dia nosokafan\u2019i Ezra teo imason\u2019ny olona rehetra ilay boky, fa avo kokoa noho izy rehetra no nisy azy. Nitsangana daholo ny olona rehefa nosokafany ilay izy.",
        "6": "Avy eo i Ezra dia nidera an\u2019i Jehovah Andriamanitra, Ilay Andriamanitra tena miavaka. Ary nampiakatra ny tanany ny olona rehetra sady niteny hoe: \u201cAmena! Amena!\u201d Dia niondrika sy niankohoka tamin\u2019ny tany teo anatrehan\u2019i Jehovah izy ireo.",
        "7": "Ary nanazava ny Lal\u00e0na tamin\u2019ny vahoaka ny Levita sasany, dia i Jesoa, Bany, Serebia, Jamina, Akoba, Sabetahy, Hodia, Mahaseia, Kelita, Azaria, Jozabada, Hanana, ary Pelaia. Mbola nitsangana ihany ny vahoaka tamin\u2019izay.",
        "8": "Ary nanohy namaky mafy an\u2019ilay boky misy ny Lal\u00e0n\u2019Andriamanitra ny Levita, ka nohazavain\u2019izy ireo mazava tsara ny dikany. Nampiany hahazo ny dikan\u2019izay novakiny \u00e0ry ny olona.",
        "9": "Ary niteny tamin\u2019ny olona rehetra i Nehemia izay governora tamin\u2019izay, sy Ezra mpisorona sady mpanao dika soratra, ary ny Levita izay nampianatra ny vahoaka, hoe: \u201cMasina amin\u2019i Jehovah Andriamanitrareo ity andro ity. Koa aza malahelo na mitomany!\u201d Nitomany daholo mantsy ny olona, rehefa naheno an\u2019izay voalazan\u2019ny Lal\u00e0na.",
        "10": "Hoy izy tamin\u2019ireo: \u201cMandehana ka mihin\u00e0na sakafo tena tsara ary misotroa zava-mamy. Dia anatero sakafo izay tsy manana, fa masina amin\u2019ny Tompontsika ity andro ity. Aza malahelo fa ny fifaliana avy amin\u2019i Jehovah no manda fiarovana anareo.\u201d",
        "11": "Ary nasain\u2019ny Levita nangina ny olona rehetra, ka hoy izy ireo: \u201cAza mitomany intsony re\u00a0e! Aza malahelo fa masina ity andro ity.\u201d",
        "12": "Dia lasa daholo ny olona nihinana sy nisotro ary nanatitra sakafo ho an\u2019izay tsy nanana. Faly be mihitsy izy ireo satria azony tsara izay nohazavaina taminy.",
        "13": "Tamin\u2019ny andro faharoa, dia niangona teo amin\u2019i Ezra mpanao dika soratra ny lohan\u2019ny fianakaviamben\u2019ny vahoaka manontolo sy ny mpisorona ary ny Levita. Te hahazo kokoa ny dikan\u2019izay lazain\u2019ny Lal\u00e0na mantsy izy ireo.",
        "14": "Dia hitan\u2019izy ireo voasoratra tao amin\u2019ny Lal\u00e0na ny didy nomen\u2019i Jehovah tamin\u2019ny alalan\u2019i Mosesy, hoe tokony hipetraka ao anaty trano rantsankazo ny Israelita mandritra ny fety amin\u2019ny volana fahafito.",
        "15": "Tokony hampandre ny olona manerana ny tan\u00e0nany rehetra sy eran\u2019i Jerosalema koa izy ireo, ka hilaza hoe: \u201cMandehana any amin\u2019ny faritra be tendrombohitra, dia mak\u00e0 rantsankazo be ravina avy amin\u2019ny hazo oliva, sy hazo kesika, sy mirta, sy palmie, ary hazo hafa, mba hanaovana trano rantsankazo araka izay voasoratra.\u201d",
        "16": "Dia lasa naka an\u2019izany ny olona ka samy nanao trano rantsankazo teny an-tampon-tranony, sy teny an-tokotaniny, sy teny an-tokotanin\u2019ny tranon\u2019ilay tena Andriamanitra, sy teny amin\u2019ny tany malalaka tandrifin\u2019ny Vavahadin-drano, ary teny amin\u2019ny tany malalaka tandrifin\u2019ny Vavahadin\u2019i Efraima.",
        "17": "Dia nanao trano rantsankazo sy nipetraka tao amin\u2019ireny ny fiangonana manontolo, izany hoe ireo tafaverina avy any an-tsesitany. Tena faly be ny Israelita tamin\u2019izay, satria mbola tsy nankalaza an\u2019ilay fety hoatr\u2019izany mihitsy izy ireo, hatramin\u2019ny andron\u2019i Josoa zanak\u2019i Nona ka hatramin\u2019io andro io.",
        "18": "Ary novakina isan\u2019andro ny boky misy ny Lal\u00e0n\u2019Andriamanitra, nanomboka tamin\u2019ny andro voalohany ka hatramin\u2019ny andro farany. Nanao fety nandritra ny fito andro izy ireo, ary nisy fivoriambe makotrokotroka tamin\u2019ny andro fahavalo, araka izay notakin\u2019ny Lal\u00e0na."
    },
    "9": {
        "1": "Tamin\u2019ny andro faha-24 amin\u2019io volana io, dia nivory ny Israelita, ka nifady hanina sy nitafy lamba gony ary nihosim-bovoka.",
        "2": "Ary nisaraka tamin\u2019ny hafa firenena rehetra ny taranak\u2019Israely. Dia nitsangana izy ireo ka niaiky ny fahotany sy ny fahadisoan\u2019ny razambeny.",
        "3": "Nitsangana teo amin\u2019ny toerany izy ireo, ka namaky mafy ny boky misy ny Lal\u00e0n\u2019i Jehovah Andriamaniny nandritra ny adiny telo. Taorian\u2019izay dia niaiky heloka sy niankohoka teo anatrehan\u2019i Jehovah Andriamaniny nandritra ny adiny telo koa izy ireo.",
        "4": "Nijoro teo amin\u2019ilay lampihazo natao ho an\u2019ny Levita i Jesoa sy Bany sy Kadmiela sy Sebania sy Bony sy Serebia sy Bany ary Kenany, ka nitaraina mafy tamin\u2019i Jehovah Andriamaniny.",
        "5": "Ary hoy i Jesoa sy Kadmiela sy Bany sy Hasabnia sy Serebia sy Hodia sy Sebania ary Petahia, izay samy Levita: \u201cMitsang\u00e0na ka mider\u00e0 an\u2019i Jehovah, ilay Andriamanitrareo mandrakizay doria! Ry Andriamanitray\u00a0\u00f4, hoderaina anie ny anaranao be\u00a0voninahitra, izay mendrika ny fisaorana sy ny fiderana rehetra!",
        "6": "\u201cIanao irery ihany no Jehovah. Ianao no nanao ny lanitra, dia ny lanitry ny lanitra sy ny tafiny rehetra. Ianao koa no nanao ny tany sy izay rehetra eo amboniny, ary ny ranomasina sy izay rehetra ao anatiny. Ianao no mahatonga an\u2019ireny rehetra ireny ho velona. Miankohoka eo anatrehanao koa ny tafiky ny lanitra.",
        "7": "Ianao no Jehovah, ilay tena Andriamanitra, izay nifidy an\u2019i Abrama sy nitondra azy hiala tao Oran\u2019ny Kaldeanina, ka nanao ny anarany hoe Abrahama.",
        "8": "Hitanao fa nifikitra taminao ny fony, ka nanao fifanekena taminy ianao hoe homenao azy sy ny taranany ny tanin\u2019ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Jebosita ary ny Girgasita. Dia nitana ny teninao ianao satria ianao manao ny tsara foana.",
        "9": "\u201cHitanao ny fahorian\u2019ny razambenay tany Ejipta, ary henonao ny fitarainany teo amoron\u2019ny Ranomasina Mena.",
        "10": "Nanao famantarana sy fahagagana \u00e0ry ianao mba hanasaziana an\u2019i Farao sy ny mpanompony rehetra ary ny olon-drehetra tao amin\u2019ny taniny. Fantatrao mantsy fa nataony tsinontsinona ny razambenay. Dia nataonao nalaza ny anaranao, ary mbola malaza ilay izy hatramin\u2019izao.",
        "11": "Nosarahinao teo alohan-dry zareo ny ranomasina, ka niampita teo amin\u2019ny tany maina ry zareo. Fa ny mpanenjika azy kosa natsipinao mafy tany amin\u2019ny lalina be, hoatran\u2019ny vato natsipy tany anaty rano mahery.",
        "12": "Andry rahona no nitarihanao azy nandritra ny andro, fa andry afo kosa nandritra ny alina mba hanazavana ny lalana halehany.",
        "13": "Nidina nankeo amin\u2019ny Tendrombohitra Sinay ianao. Niteny tamin\u2019izy ireo avy any an-danitra koa ianao. Dia nomenao didim-pitsarana ara-drariny, sy lal\u00e0na marina, ary fitsipika sy didy mahasoa izy ireo tamin\u2019izay.",
        "14": "Nampahafantarinao azy koa ny sabatanao masina, ary nomenao didy sy fitsipika ary lal\u00e0na tamin\u2019ny alalan\u2019i Mosesy mpanomponao ry zareo.",
        "15": "Nomenao mofo avy any an-danitra ry zareo rehefa noana, ary namoahanao rano avy tao amin\u2019ny vatolampy rehefa nangetaheta. Dia noteneninao ry zareo mba hankao amin\u2019ilay tany efa nianiananao hoe homena azy, ary nasainao naka an\u2019ilay tany ry zareo.",
        "16": "\u201cSahisahy ratsy anefa ny razambenay sady lasa mafy loha ka tsy nihaino ny didinao.",
        "17": "Tsy nety nihaino ry zareo ary tsy notadidiny ny asa mahatalanjona nataonao ho azy. Lasa mafy loha koa izy ireo ka nanendry olona hitarika azy hiverina ho andevo tany Ejipta indray. Tsy nahafoy azy anefa ianao satria Andriamanitra vonona hamela heloka sady\u00a0mangoraka, mamindra fo, tsy mora tezitra, ary tena be fitiavana sy tsy mivadika.",
        "18": "Nanao sarivongana zanak\u2019omby ry zareo, ka nilaza hoe: \u2018Io ny Andriamanitsika, ilay nitondra antsika niakatra avy tany Ejipta!\u2019 Tena tsy nanisy vidiny anao izy ireo.",
        "19": "Na izany aza, dia tsy nahafoy azy tany an-tany efitra ianao satria tena mamindra fo. Tsy niala teo ambonin\u2019izy ireo ny andry rahona rehefa antoandro, dia iny no nitari-dalana azy. Teo foana koa ny andry afo rehefa alina, dia iny no nanazava ny lalana halehany.",
        "20": "Nomenao ny fanahinao izy ireo mba hisaina tsara. Nomenao mana koa izy ireo mba hataony sakafo, ary nomenao rano rehefa nangetaheta.",
        "21": "Nandritra ny 40\u00a0taona ianao no namatsy sakafo an-dry zareo tany an-tany efitra, ary tsy nisy nahory azy. Tsy tonta mihitsy ny akanjony ary tsy nivonto ny tongony.",
        "22": "\u201cNomenao fanjakana sy firenena izy ireo ka nozarazarainao ireny. Dia nalainy ny tanin\u2019i Sihona, izany hoe ny tanin\u2019ny mpanjakan\u2019i Hesbona, sy ny tanin\u2019i Oga mpanjakan\u2019i Basana.",
        "23": "Nataonao be dia be hoatran\u2019ny kintana eny amin\u2019ny lanitra ny taranany. Dia nentinao ho eto amin\u2019ity tany ity izy ireo, fa efa nampanantena ny razambeny ianao hoe tokony halainy ho fananany izy ity.",
        "24": "Nanketo amin\u2019ity tany ity \u00e0ry ny taranak\u2019izy ireo ka naka an\u2019ilay izy ho fananany. Nataonao resin\u2019izy ireo ny Kananita nipetraka teto, dia ny mpanjakany sy ny mponina tao amin\u2019ilay tany, ka nataony araka izay nitiavany azy.",
        "25": "Naka tan\u00e0na voaro mafy izy ireo, ary nahazo tany lonaka sy trano feno zavatra tsara isan-karazany. Lasan\u2019izy ireo koa ny lavaka fanangonan-drano efa nohadina, ny tanimboaloboka, ny sahan\u2019oliva, ary ny hazo fihinam-boa be dia be. Dia nihinana izy ireo ka voky ary nihanatavy, sady faly er\u1ef3 satria tena tsara toetra taminy ianao.",
        "26": "\u201cTsy nankat\u00f2 anefa izy ireo, ary nikomy taminao sady tsy niraharaha ny Lal\u00e0nao. Novonoiny koa ny mpaminaninao, izay nampirisika azy hiverina aminao. Tena naniratsira anao izy ireo!",
        "27": "Dia nataonao resin\u2019ny fahavalony ry zareo ka nampijalijaliny foana. Nitaraina mafy taminao anefa ry zareo rehefa nijaly, ary henonao avy any an-danitra izany. Nandefa olona hamonjy azy tamin\u2019ny fahavalony \u00e0ry ianao satria tena mamindra fo.",
        "28": "\u201cVao tsy nijaly intsony anefa izy ireo, dia nanao izay ratsy teo imasonao indray ka navelanao ho resin\u2019ny fahavalony, izay nanjakazaka taminy. Dia niverina taminao izy ireo ka niantso vonjy taminao, ary henonao avy any an-danitra izany. Imbetsaka ianao no namonjy azy satria tena mamindra fo ianao.",
        "29": "Na dia nampirisika azy hiverina hanaraka ny Lal\u00e0nao aza ianao, dia mbola sahisahy ratsy ihany izy ireo, ka tsy nety nihaino ny didinao. Nanota izy ireo satria tsy nanaraka ny fitsipikao, izay mahavelona ny olona mankat\u00f2 azy. Mbola mafy loha ihany izy ireo ka tsy niraharaha anao, fa nanamafy hatoka sady tsy nety nihaino.",
        "30": "Nanam-paharetana taminy foana anefa ianao nandritra ny taona maro. Nomenao ny fanahinao koa ny mpaminaninao ka nasainao nampitandrina azy ireo foana, saingy tsy nety nihaino izy ireo. Dia nataonao resin\u2019ny mponina manodidina ry zareo, tamin\u2019ny farany.",
        "31": "Tena mamindra fo anefa ianao ka tsy nandringana azy na nahafoy azy, satria Andriamanitra mangoraka sady mamindra fo ianao.",
        "32": "\u201cRy Andriamanitray\u00a0\u00f4, ry Andriamanitra tena miavaka sy mahery ary mendrika hatahorana, ilay manaja fifanekena sady be fitiavana sy tsy mivadika! Mba miangavy re\u00a0e! Aza odiana tsy hita ny fahoriana rehetra nanjo anay, sy ny mpanjakanay, sy ny andriananay, sy ny mpisoronay, sy ny mpaminaninay, sy ny razambenay, ary ny vahoakanao rehetra, hatramin\u2019ny andron\u2019ny mpanjakan\u2019i Asyria ka hatramin\u2019izao!",
        "33": "Rariny ny anao matoa manjo anay izao rehetra izao. Tsy mivadika amin\u2019ny teninao mantsy ianao, fa izahay no nanao ratsy.",
        "34": "Tsy nankat\u00f2 ny Lal\u00e0nao ny mpanjakanay sy ny andriananay sy ny mpisoronay ary ny razambenay, sady tsy niraharaha ny didinao na ny fampitandremana nomenao azy.",
        "35": "Na dia mbola nanana ny mpanjakany aza izy ireo, ary nankafy zavatra tsara be dia be avy taminao, sady napetrakao tao amin\u2019ny tany midadasika sy lonaka, dia mbola tsy nanompo anao ihany, sady tsy niala tamin\u2019ny fanao ratsiny.",
        "36": "Andevo izahay izao, andevo eto amin\u2019ity tany ity, izay nomenao ny razambenay mba hihinanan-dry zareo ny vokatra sy ny zava-tsoa eto.",
        "37": "Betsaka ny vokatry ny tany, nefa nanota izahay ka lasan\u2019ireo mpanjaka notendrenao hifehy anay izany. Manjaka aminay sy ny biby fiompinay araka izay tiany izy ireo, ka mijaly be izahay.",
        "38": "\u201cNoho izany rehetra izany, dia hanao fifanarahana an-tsoratra izahay ka hanisy tombo-kase an\u2019izany ny andriananay sy ny Levitanay ary ny mpisoronay.\u201d"
    },
    "10": {
        "1": "Ireto avy no nanisy tombo-kase an\u2019izany: I Nehemia Governora zanak\u2019i Hakalia, Zedekia,",
        "2": "Seraia, Azaria, Jeremia,",
        "3": "Pasora, Amaria, Malkia,",
        "4": "Hatosy, Sebania, Maloka,",
        "5": "Harima, Meremota, Obadia,",
        "6": "Daniela, Ginetona, Baroka,",
        "7": "Mesolama, Abia, Miamina,",
        "8": "Mahazia, Bilgay, ary Semaia. Ireo no mpisorona.",
        "9": "Tamin\u2019ny Levita kosa dia i Jesoa zanak\u2019i Azania sy Binoy taranak\u2019i Henadada ary Kadmiela,",
        "10": "sy ny rahalahin\u2019izy ireo, dia i Sebania, Hodia, Kelita, Pelaia, Hanana,",
        "11": "Mika, Rehoba, Hasabia,",
        "12": "Zakora, Serebia, Sebania,",
        "13": "Hodia, Bany, ary Benino.",
        "14": "Ary tamin\u2019ny lohandohany teo amin\u2019ny vahoaka dia i Parosy, Pahata-moaba, Elama, Zato, Bany,",
        "15": "Bony, Azgada, Bebay,",
        "16": "Adonia, Bigvay, Adina,",
        "17": "Atera, Hezekia, Azora,",
        "18": "Hodia, Hasoma, Bezay,",
        "19": "Harifa, Anatota, Nebay,",
        "20": "Magpiasy, Mesolama, Hezira,",
        "21": "Mesezabela, Zadoka, Jadoa,",
        "22": "Pelatia, Hanana, Anaia,",
        "23": "Hosea, Hanania, Hasoba,",
        "24": "Halohesy, Pila, Sobeka,",
        "25": "Rehoma, Hasabna, Mahaseia,",
        "26": "Ahia, Hanana, Anana,",
        "27": "Maloka, Harima, ary Bana.",
        "28": "Ary ireto no anisan\u2019ny vahoaka sisa: Ny mpisorona, ny Levita, ny mpiandry vavahady, ny mpihira, ny mpanompo tao amin\u2019ny tempoly, sy izay nisaraka tamin\u2019ny mponina manodidina mba hankat\u00f2 ny Lal\u00e0n\u2019Andriamanitra, ary ny vadin\u2019izy ireo sy ny zanany lahy sy ny zanany vavy, izany hoe izay efa afaka mahazo ny dikan\u2019ilay fifanarahana.",
        "29": "Nanohana an\u2019ireo rahalahiny izy ireo, izany hoe nanohana an\u2019ireo olona ambony ireo. Niozona koa izy ireo sady nianiana fa hankat\u00f2 ny Lal\u00e0n\u2019Andriamanitra nampitainy tamin\u2019ny alalan\u2019i Mosesy mpanompony, sy hanaraka tsara ny didy rehetra sy ny didim-pitsarana ary ny fitsipik\u2019i Jehovah Tomponay.",
        "30": "Nilaza koa izy ireo hoe: \u201cNy zanakay vavy tsy homenay ho vadin\u2019ny mponina manodidina, ary tsy halainay ho an\u2019ny zanakay lahy ny zanany vavy.",
        "31": "Raha mitondra entana sy sakafo isan-karazany mba hamidy amin\u2019ny andro sabata ny mponina manodidina, dia tsy hividy na inona na inona amin\u2019izy ireo izahay, na amin\u2019ny andro sabata na amin\u2019ny andro masina. Havelanay hiala sasatra ny tany amin\u2019ny taona fahafito, ary hafoinay ny trosa rehetra.",
        "32": "Nanapa-kevitra koa izahay fa samy tsy maintsy hanome ampahatelona sekely isan-taona, ho an\u2019ny fanompoana ao an-tranon\u2019ilay Andriamanitray,",
        "33": "mba hikarakarana ny mofo mifanaingina, ny fanatitra varimbazaha atolotra tsy tapaka, ny fanatitra dorana atolotra tsy tapaka isaky ny Sabata sy ny tsinam-bolana, ny fety, ny zava-masina, ny fanatitra noho ny ota handrakofana ny fahotan\u2019ny Israely, ary ny asa rehetra ao an-tranon\u2019ny Andriamanitray.",
        "34": "Nanao antsapaka izahay mba hahitana hoe rahoviana ny mpisorona sy ny Levita ary ny vahoaka no tokony hanatitra kitay ao an-tranon\u2019Andriamanitray. Samy hanatitra kitay isaky ny fianakaviambeny izy ireo amin\u2019ny fotoana voatondro, ary isan-taona. Hampiasaina eo amin\u2019ny alitaran\u2019i Jehovah Andriamanitray ireny, araka izay voasoratra ao amin\u2019ny Lal\u00e0na.",
        "35": "Hoentinay any an-tranon\u2019i Jehovah isan-taona koa ny voaloham-bokatry ny taninay sy ny voaloham-bokatry ny karazan-kazo rehetra.",
        "36": "Hoentinay any amin\u2019ny mpisorona manompo ao an-tranon\u2019Andriamanitray ny zanakay lahimatoa sy ny voalohan-teraky ny biby fiompinay, araka izay voasoratra ao amin\u2019ny Lal\u00e0na. Hoentinay any koa ny voalohan-teraky ny omby aman\u2019ondrinay.",
        "37": "Ary hoentinay any amin\u2019ny mpisorona ao amin\u2019ny efitra fitehirizana ao an-tranon\u2019Andriamanitray ny santatry ny varimbazahanay tsy nototoina malemy. Haterinay any koa ny fanomezanay, ny vokatry ny karazan-kazo rehetra, ny divay vaovao, ary ny menaka. Dia hatolotray ho an\u2019ny Levita ny ampahafolon\u2019ny vokatry ny taninay, satria ny Levita no manangona ny ampahafolony, any amin\u2019ny tan\u00e0na rehetra misy ny tanimbolinay.",
        "38": "Rehefa manangona ny ampahafolony ny Levita, dia tokony hisy mpisorona taranak\u2019i Arona hiaraka aminy. Ary ny ampahafolon\u2019izany kosa tokony haterin\u2019ny Levita ao an-tranon\u2019Andriamanitray, ao amin\u2019ny efitra ao amin\u2019ny trano fitehirizana.",
        "39": "Fa any amin\u2019ireo efitra fitehirizana no tokony hanateran\u2019ny Israelita sy ny taranak\u2019i Levy an\u2019izay ataony fanomezana, dia ny varimbazaha sy ny divay vaovao ary ny menaka. Any koa no misy ny fitaovana ho an\u2019ny toerana masina, dia any no alehan\u2019ny mpisorona manao fanompoana sy ny mpiandry vavahady ary ny mpihira. Ary tsy hanao tsirambina ny tranon\u2019Andriamanitray izahay.\u201d"
    },
    "11": {
        "1": "Nipetraka tao Jerosalema ny andrianan\u2019ny vahoaka. Ary nanao antsapaka ny vahoaka mba hahitana hoe isaky ny fianakaviana folo, dia fianakaviana iza no hipetraka ao Jerosalema tan\u00e0na masina. Ny fianakaviana sivy ambiny kosa hijanona any amin\u2019ny tan\u00e0na hafa.",
        "2": "Dia noderain\u2019ny vahoaka ny lehilahy rehetra nanolo-tena hipetraka tao Jerosalema.",
        "3": "Nipetraka tao Jerosalema ireo filohan\u2019ny faritany. Ny sisa tamin\u2019ny Israely kosa, izany hoe ny mpisorona sy ny Levita sy ny mpanompo tao amin\u2019ny tempoly ary ireo zanaky ny mpanompon\u2019i Solomona, dia nipetraka tany amin\u2019ny tan\u00e0na hafa tany Joda, teo amin\u2019ny lovany sy ny tan\u00e0nany avy.",
        "4": "Nisy avy tamin\u2019ny fokon\u2019i Joda sy Benjamina koa nipetraka tao Jerosalema. Ireto avy ny filohan\u2019ny faritany: Ny avy tamin\u2019ny fokon\u2019i Joda dia i Ataia zanak\u2019i Ozia, zanak\u2019i Zakaria, zanak\u2019i Amaria, zanak\u2019i Sefatia, zanak\u2019i Mahalalila, avy tamin\u2019ny taranak\u2019i Pereza;",
        "5": "sy Mahaseia zanak\u2019i Baroka, zanak\u2019i Kola-hoze, zanak\u2019i Hazaia, zanak\u2019i Adaia, zanak\u2019i Joariba, zanak\u2019i Zakaria, avy tamin\u2019ny fianakavian\u2019ny Selita.",
        "6": "Nisy 468 ny taranak\u2019i Pereza nipetraka tany Jerosalema, ary lehilahy matanjaka izy ireo.",
        "7": "Ny avy tamin\u2019ny fokon\u2019i Benjamina dia i Salo zanak\u2019i Mesolama, zanak\u2019i Joeda, zanak\u2019i Pedaia, zanak\u2019i Kolaia, zanak\u2019i Mahaseia, zanak\u2019i Itiela, zanak\u2019i Jesaia;",
        "8": "nanarakaraka azy ny ankohonan\u2019i Gabay sy Salay, izay nisy 928;",
        "9": "sy Joela zanak\u2019i Zikry izay mpiandraikitra azy ireo, ary Joda zanak\u2019i Hasenoa mpiandraikitra lefitry ny tan\u00e0na.",
        "10": "Ny avy tamin\u2019ny mpisorona dia i Jedaia zanak\u2019i Joariba, Jakina,",
        "11": "Seraia zanak\u2019i Hilkia, zanak\u2019i Mesolama, zanak\u2019i Zadoka, zanak\u2019i Meraiota, zanak\u2019i Ahitoba mpitarika tao an-tranon\u2019ilay tena Andriamanitra;",
        "12": "sy ny rahalahin\u2019izy ireo izay nanao ny asa tao amin\u2019ilay trano, izay nisy 822; sy Adaia zanak\u2019i Jerohama, zanak\u2019i Pelalia, zanak\u2019i Amzy, zanak\u2019i Zakaria, zanak\u2019i Pasora, zanak\u2019i Malkia,",
        "13": "sy ireo rahalahiny izay lohan\u2019ny fianakaviambe, izay nisy 242; sy Amasay zanak\u2019i Azarela, zanak\u2019i Ahazay, zanak\u2019i Mesilemota, zanak\u2019i Imera,",
        "14": "ary ny rahalahiny izay lehilahy matanjaka sy be herim-po, izay nisy 128. I Zabdiela, izay anisan\u2019ny fianakaviana manan-kaja, no mpiandraikitra azy ireo.",
        "15": "Ary ny avy tamin\u2019ny Levita dia i Semaia zanak\u2019i Hasoba, zanak\u2019i Azrikama, zanak\u2019i Hasabia, zanak\u2019i Bony;",
        "16": "sy Sabetahy sy Jozabada izay samy filohan\u2019ny Levita sady niandraikitra ny raharaha tany ivelan\u2019ny tranon\u2019ilay tena Andriamanitra;",
        "17": "sy Matania mpitarika ny antoko-mpihira sy nitarika ny fiderana tamin\u2019ny fotoanan\u2019ny vavaka, izany hoe i Matania zanak\u2019i Mika, zanak\u2019i Zabdy, zanak\u2019i Asafa; sy Bakbokia mpiandraikitra lefitra teo amin\u2019ny rahalahiny, ary Abda zanak\u2019i Samoa, zanak\u2019i Galala, zanak\u2019i Jedotona.",
        "18": "Nisy 284 ny Levita rehetra tao amin\u2019ilay tan\u00e0na masina.",
        "19": "Ny mpiandry vavahady dia i Akoba sy Talmona ary ny rahalahiny, izay niambina teo amin\u2019ny vavahady. Nisy 172 izy ireo.",
        "20": "Samy tao amin\u2019ny tany nolovany, tany amin\u2019ny tan\u00e0na hafa rehetra tao Joda ny sisa tamin\u2019ny Israely sy ny mpisorona ary ny Levita.",
        "21": "Nipetraka tany Ofela kosa ny mpanompo tao amin\u2019ny tempoly, ka i Ziha sy Gispa no niandraikitra azy ireo.",
        "22": "I Ozy zanak\u2019i Bany, zanak\u2019i Hasabia, zanak\u2019i Matania, zanak\u2019i Mika, avy tamin\u2019ny taranak\u2019i Asafa izay samy mpihira, no mpiandraikitra ny Levita tao Jerosalema. Izy no niandraikitra ny asa tao an-tranon\u2019ilay tena Andriamanitra.",
        "23": "Efa namoaka didy momba azy ireo ny mpanjaka, ary nisy fandaharana raikitra hoe homena izay ilainy isan\u2019andro ny mpihira.",
        "24": "Ary i Petahia, zanak\u2019i Mesezabela, taranak\u2019i Zera, zanak\u2019i Joda, no mpanolo-tsain\u2019ny mpanjaka momba ny raharaha rehetra nahakasika ny vahoaka.",
        "25": "Ireto avy ny tan\u00e0na kely tany ambanivohitra nipetrahan\u2019ny sasany tamin\u2019ny fokon\u2019i Joda: I Kiriata-arba sy ny tan\u00e0na niankina taminy, Dibona sy ny tan\u00e0na niankina taminy, Jekabzela sy ny tan\u00e0na keliny,",
        "26": "Jesoa, Molada, Beti-paleta,",
        "27": "Hazara-soala, Beri-sheba sy ny tan\u00e0na niankina taminy,",
        "28": "Ziklaga, Mekona sy ny tan\u00e0na niankina taminy,",
        "29": "En-rimona, Zora, Jarmota,",
        "30": "Zanoa sy Adolama ary ny tan\u00e0na keliny, Lakisy sy ny sahany, ary Azeka sy ny tan\u00e0na niankina taminy. Hatrany Beri-sheba ka hatrany amin\u2019ny Lohasahan\u2019i Hinoma izy ireo no nipetraka.",
        "31": "Ny fokon\u2019i Benjamina kosa tany Geba, Mikmasy, Aia, Betela sy ny tan\u00e0na niankina taminy,",
        "32": "Anatota, Noba, Anania,",
        "33": "Hazora, Rama, Gitaima,",
        "34": "Hadida, Zeboima, Nebala,",
        "35": "Loda, ary Ono, ilay lohasahan\u2019ny mpanao asa tanana.",
        "36": "Ary notendrena nankany amin\u2019ny tanin\u2019ny Benjamina ny Levita sasany avy tany Joda."
    },
    "12": {
        "1": "Ireto avy ny mpisorona sy Levita niara-niakatra tamin\u2019i Zerobabela zanak\u2019i Sealtiela, sy niaraka tamin\u2019i Jesoa: I Seraia, Jeremia, Ezra,",
        "2": "Amaria, Maloka, Hatosy,",
        "3": "Sekania, Rehoma, Meremota,",
        "4": "Ido, Ginetoy, Abia,",
        "5": "Miamina, Madia, Bilga,",
        "6": "Semaia, Joariba, Jedaia,",
        "7": "Salo, Amoka, Hilkia, ary Jedaia. Ireo no filohan\u2019ny mpisorona sy ny rahalahiny, tamin\u2019ny andron\u2019i Jesoa.",
        "8": "Ireto avy ny Levita: I Jesoa, Binoy, Kadmiela, Serebia, Joda, ary Matania, izay nitarika ny hira fisaorana niaraka tamin\u2019ny rahalahiny.",
        "9": "I Bakbokia sy Ony rahalahin\u2019izy ireo indray nijoro tandrifin\u2019izy ireo mba hiambina.",
        "10": "Ary i Jesoa niteraka an\u2019i Joiakima, Joiakima niteraka an\u2019i Eliasiba, Eliasiba niteraka an\u2019i Joiada,",
        "11": "Joiada niteraka an\u2019i Jonatana, ary Jonatana niteraka an\u2019i Jadoa.",
        "12": "Tamin\u2019ny andron\u2019i Joiakima, dia ireto avy ny mpisorona lohan\u2019ireo fianakaviambe: I Meraia ny an\u2019ny fianakavian-dry Seraia, Hanania ny an-dry Jeremia,",
        "13": "Mesolama ny an-dry Ezra, Johanana ny an-dry Amaria,",
        "14": "Jonatana ny an-dry Meliko, Josefa ny an-dry Sebania,",
        "15": "Adna ny an-dry Harima, Helkay ny an-dry Meraiota,",
        "16": "Zakaria ny an-dry Ido, Mesolama ny an-dry Ginetona,",
        "17": "Zikry ny an-dry Abia, ... ny an-dry Miniamina, Piltahy ny an-dry Moadia,",
        "18": "Samoa ny an-dry Bilga, Jonatana ny an-dry Semaia,",
        "19": "Matenay ny an-dry Joariba, Ozy ny an-dry Jedaia,",
        "20": "Kalay ny an-dry Salay, Ebera ny an-dry Amoka,",
        "21": "Hasabia ny an-dry Hilkia, ary Netanela ny an-dry Jedaia.",
        "22": "Nosoratana anarana ny lohan\u2019ireo fianakaviamben\u2019ny Levita sy ny mpisorona, tamin\u2019ny andron\u2019i Eliasiba sy Joiada sy Johanana ary Jadoa ka hatramin\u2019ny andro nanjakan\u2019i Dariosy Persianina.",
        "23": "Nosoratana tao amin\u2019ny boky mirakitra ny tantara tamin\u2019izany koa ny Levita izay lohan\u2019ireo fianakaviambe, hatramin\u2019ny andron\u2019i Johanana zanak\u2019i Eliasiba.",
        "24": "I Hasabia sy Serebia ary Jesoa zanak\u2019i Kadmiela no filohan\u2019ny Levita. Nijoro tandrifin\u2019izy ireo ny rahalahiny mba hidera sy hisaotra an\u2019Andriamanitra, araka ny toromarika nomen\u2019i Davida lehilahin\u2019Andriamanitra, ka nifanakaiky ireo antokona mpiambina.",
        "25": "I Matania sy Bakbokia sy Obadia sy Mesolama sy Talmona ary Akoba no mpiandry vavahady, izay niambina ny trano fitehirizana teo akaikin\u2019ny vavahady.",
        "26": "Ireo no nanompo tamin\u2019ny andron\u2019i Joiakima zanak\u2019i Jesoa, zanak\u2019i Jozadaka, sy tamin\u2019ny andron\u2019i Nehemia Governora sy Ezra mpisorona sady mpanao dika soratra.",
        "27": "Rehefa hotokanana ny mandan\u2019i Jerosalema, dia notadiavina tany amin\u2019izay toerana rehetra nisy azy ny Levita, ka nentina nankany Jerosalema mba hanao an\u2019ilay fitokanana sy hifalifaly, ary hanao hira fisaorana ampiarahina amin\u2019ny kipantsona sy zavamaneno fitendry ary harpa.",
        "28": "Ary nivory ny mpihira efa voaofana. Avy eny amin\u2019ny faritr\u2019i Jordana izy ireo, avy eny amin\u2019ny manodidina an\u2019i Jerosalema, sy avy any amin\u2019ireo tan\u00e0na kelin\u2019ny Netofatita,",
        "29": "sy avy any Beti-gilgala, ary avy any amin\u2019ny faritr\u2019i Geba sy Azmaveta. Nanorina tan\u00e0na kely teny amin\u2019ny manodidina an\u2019i Jerosalema mantsy ny mpihira.",
        "30": "Ary nanadio ny tenany ny mpisorona sy ny Levita, dia nodioviny koa ny vahoaka sy ny vavahady ary ny manda.",
        "31": "Dia nentiko niakatra teny an-tampon\u2019ny manda ny andrianan\u2019ny Joda. Nanendry antoko-mpihira roa mpanao hira fisaorana aho, ary nisy olona be dia be nasaiko nanaraka tao aorianan\u2019ny antokony tsirairay. Dia nandeha niankavanana teo ambony manda ny antokony iray, nankany amin\u2019ny Vavahadin\u2019ny Lavenona Misavovona.",
        "32": "Nanaraka azy tao aoriana i Hosaia sy ny antsasaky ny andrianan\u2019ny Joda",
        "33": "sy Azaria, Ezra, Mesolama,",
        "34": "Joda, Benjamina, Semaia, ary Jeremia.",
        "35": "Niaraka tamin\u2019izy ireo koa ny sasany tamin\u2019ny taranaky ny mpisorona izay nitondra trompetra, dia i Zakaria, zanak\u2019i Jonatana, zanak\u2019i Semaia, zanak\u2019i Matania, zanak\u2019i Mikaia, zanak\u2019i Zakora, zanak\u2019i Asafa,",
        "36": "ary ireo rahalahiny, dia i Semaia, Azarela, Milalay, Gilalay, May, Netanela, Joda, ary Hanany, izay samy nitondra ny zavamaneno nataon\u2019i Davida lehilahin\u2019Andriamanitra. Ary nandeha teo alohan\u2019izy ireo i Ezra mpanao dika soratra.",
        "37": "Teo amin\u2019ny Vavahadin\u2019ny Loharano izy ireo no nandeha nahitsy, dia nandalo teo ambonin\u2019ny Tohatoha-baton\u2019ny Tan\u00e0nan\u2019i Davida. Niakatra teo amin\u2019ny manda teo ambonin\u2019ny Tranon\u2019i Davida mantsy izy ireo, dia nandalo teo amin\u2019ny Vavahadin-drano teny atsinanana.",
        "38": "Nandeha niankavia kosa ilay antoko-mpihira iray mpanao hira fisaorana, ary nanaraka tao aorianany izaho sy ny antsasaky ny vahoaka. Nandalo teo amin\u2019ny Tilikambon\u2019ny Lafaoro izahay, dia nankeo amin\u2019ny Manda Lehibe,",
        "39": "ary nandalo teo ambonin\u2019ny Vavahadin\u2019i Efraima sy ny Vavahadin\u2019ilay Tan\u00e0na Taloha, dia nankany amin\u2019ny Vavahadin-trondro sy ny Tilikambon\u2019i Hananela sy ny Tilikambon\u2019i Mea, ka hatrany amin\u2019ny Vavahadin\u2019ondry. Dia nijanona teo amin\u2019 ny Vavahadin\u2019ny Mpiambina izahay.",
        "40": "Farany dia nijanona nanoloana ny tranon\u2019ilay tena Andriamanitra ireo antoko-mpihira roa mpanao hira fisaorana. Nijanona teo koa izaho sy ny antsasaky ny solontenam-panjakana niaraka tamiko,",
        "41": "sy ny mpisorona, izany hoe i Eliakima, Mahaseia, Miniamina, Mikaia, Elioenay, Zakaria, ary Hanania, izay samy nitondra trompetra,",
        "42": "sy Mahaseia, Semaia, Eleazara, Ozy, Johanana, Malkia, Elama, ary Ezera. Dia nihira mafy be ny mpihira, ary i Jizrahia no niandraikitra azy ireo.",
        "43": "Nanao sorona be dia be izy ireo tamin\u2019izay andro izay sady nifaly, satria ilay tena Andriamanitra mihitsy no nahatonga azy ireo ho faly be. Faly koa ny zaza amam-behivavy, ka heno hatrany lavitra ny fifaliana tao Jerosalema.",
        "44": "Tamin\u2019izay koa, dia nisy lehilahy notendrena hiandraikitra ny trano fitehirizana an\u2019ireo fanomezana sy voaloham-bokatra ary ampahafolon-karena. Tsy maintsy nangonin\u2019izy ireo tao ny anjaran\u2019ny mpisorona sy ny Levita araka izay notakin\u2019ny Lal\u00e0na, dia izay nalaina avy tamin\u2019ny sahan\u2019ny tan\u00e0na. Faly mantsy ny olona tany Joda satria nanao fanompoana ny mpisorona sy ny Levita.",
        "45": "Nanomboka nanao ny adidy tamin\u2019ny Andriamaniny sy ny adidy momba ny fidiovana izy ireo. Nanao hoatr\u2019izany koa ireo mpihira sy mpiandry vavahady, araka ny toromarika nomen\u2019i Davida sy Solomona zanany.",
        "46": "Taloha ela be mantsy, izany hoe tamin\u2019ny andron\u2019i Davida sy Asafa, dia nisy ny atao hoe mpitarika ny mpihira, sy mpitarika ny hira fiderana sy fisaorana an\u2019Andriamanitra.",
        "47": "Ary tamin\u2019ny andron\u2019i Zerobabela sy Nehemia, dia nomen\u2019ny Israely rehetra ny anjaran\u2019ny mpihira sy mpiandry vavahady, araka izay nilainy isan\u2019andro. Natokan\u2019izy ireo koa ny anjaran\u2019ny Levita, ary natokan\u2019ny Levita kosa ny anjaran\u2019ny taranak\u2019i Arona."
    },
    "13": {
        "1": "Tamin\u2019izay andro izay dia novakina ny bokin\u2019i Mosesy, ary nihaino ny vahoaka. Voasoratra tao fa tsy misy mahazo miditra ho anisan\u2019ny fiangonan\u2019ilay tena Andriamanitra mihitsy ny Amonita sy ny Moabita.",
        "2": "Tsy mba nitsena ny Israelita mantsy izy ireo sady tsy nanome mofo sy rano azy. Nanakarama an\u2019i Balama kosa izy ireo mba hanozona azy, nefa novan\u2019Andriamanitray ho tsodrano ilay ozona.",
        "3": "Raha vao henon\u2019ny vahoaka ilay Lal\u00e0na, dia nesorin\u2019izy ireo tsy ho anisan\u2019ny Israely izay rehetra taranaky ny hafa firenena.",
        "4": "Talohan\u2019izay, dia i Eliasiba havan\u2019i Tobia no mpisorona niandraikitra ny efitra fitehirizana entana tao an-tranon\u2019ny Andriamanitray.",
        "5": "Efa nisy efitra fitehirizana entana navelany hampiasain\u2019i Tobia mantsy, ary malalaka ilay izy. Tao anefa taloha no fametrahana ny fanatitra varimbazaha, ny ditin-kazo manitra, ny fitaovana, ary ny fanomezana ho an\u2019ny mpisorona. Napetraka tao koa ny ampahafolon\u2019ny varimbazaha sy ny divay vaovao ary ny menaka, izay samy natao ho an\u2019ny Levita sy ny mpihira ary ny mpiandry vavahady.",
        "6": "Tsy teto Jerosalema aho nandritra izany fotoana rehetra izany, fa nankany amin\u2019i Artaksersesy mpanjakan\u2019i Babylona, tamin\u2019ny taona faha-32 nanjakany. Niera taminy aho taoriana kelin\u2019izay hoe handeha ka tsy ho eo kely.",
        "7": "Dia tonga teto Jerosalema aho, ka nahita ny zavatra ratsy be nataon\u2019i Eliasiba. Nisy efitra fitehirizana entana efa navelany hampiasain\u2019i Tobia mantsy teo an-tokotanin\u2019ny tranon\u2019ilay tena Andriamanitra.",
        "8": "Tena nahasosotra ahy izany, ka natsipiko tany ivelan\u2019ilay efitra fitehirizana entana daholo ny fanak\u2019i Tobia.",
        "9": "Avy eo dia nasaiko nodiovina ireo efitra fitehirizana entana, ka naveriko tao indray ny fitaovana tao an-tranon\u2019ilay tena Andriamanitra sy ny fanatitra varimbazaha ary ny ditin-kazo manitra.",
        "10": "Hitako koa fa tsy nomena an\u2019ireo Levita ny anjarany, ka lasa nandeha niasa tany amin\u2019ny sahany daholo ny Levita sy ny mpihira nanao ny fanompoana.",
        "11": "Dia noteneniko mafy ny solontenam-panjakana hoe: \u201cFa maninona no dia natao tsirambina ny tranon\u2019ilay tena Andriamanitra?\u201d Dia novoriko ny Levita ka notendreko hanao ny andraikiny indray.",
        "12": "Ary ny Joda rehetra kosa nanatitra ny ampahafolon\u2019ny varimbazaha sy ny divay vaovao ary ny menaka, tao amin\u2019ny efitra fitehirizana entana.",
        "13": "Dia nasaiko niandraikitra ny efitra fitehirizana entana i Selemia mpisorona sy Zadoka mpanao dika soratra ary Pedaia, izay anisan\u2019ny Levita. I Hanana zanak\u2019i Zakora, zanak\u2019i Matania, no nanampy azy ireo. Mendri-pitokisana mantsy ireo lehilahy ireo, ary andraikiny ny nizara ny anjaran\u2019ireo rahalahiny.",
        "14": "Ry Andriamanitro\u00a0\u00f4, mba tsarovy aho noho izany zavatra izany. Ary aza hadinoina ny fitiavana sy ny tsy fivadihana nasehoko ho an\u2019ny tranonao sy ho an\u2019ny fanompoana atao ao.",
        "15": "Tamin\u2019izany fotoana izany no nahitako olona nanitsakitsaka voaloboka tao anaty lavaka famiazana azy, tamin\u2019ny andro sabata. Nisy koa tamin\u2019izany nitondra varimbazaha miavosa dia natainginy teo ambony ampondra. Nisy indray nitondra divay sy voaloboka sy aviavy ary izao karazana entana rehetra izao, dia nitondra an\u2019izany tao Jerosalema tamin\u2019ny andro sabata. Nampitandrina azy ireo \u00e0ry aho mba tsy hivarotra amin\u2019io andro io.",
        "16": "Ny olona avy any Tyro izay nipetraka tao an-tan\u00e0na kosa nitondra trondro sy entana isan-karazany, ka nivarotra an\u2019izany tamin\u2019ny vahoakan\u2019i Joda sy tao Jerosalema tamin\u2019ny Sabata.",
        "17": "Noteneniko mafy \u00e0ry ny olona ambony tao Joda hoe: \u201cFa inona izao ratsy ataonareo izao? Manao tsinontsinona ny andro sabata ange ianareo\u00a0e!",
        "18": "Tsy efa izao ihany ve no nataon\u2019ny razambenareo? Izany no nahatonga an\u2019Andriamanitsika hamely antsika sy ity tan\u00e0na ity amin\u2019izao loza rehetra izao! Dia mbola manazimbazimba ny Sabata koa ianareo izao, ka ataonareo izay hahatonga an\u2019Andriamanitra ho vao mainka tezitra amin\u2019ny Israely.\u201d",
        "19": "Raha vao nihamaizina \u00e0ry ny andro, talohan\u2019ny Sabata, dia nasaiko nohidiana ny vavahadin\u2019i Jerosalema. Tsy navelako hosokafana ilay izy raha tsy taorian\u2019ny Sabata. Nasaiko nijanona teo am-bavahady koa ny mpanompoko sasany, mba tsy hisy entana ho tafiditra amin\u2019ny andro sabata.",
        "20": "Natory indray mandeha na indroa teo ivelan\u2019i Jerosalema \u00e0ry ny mpivaro-mandeha sy ny mpivarotra entana isan-karazany.",
        "21": "Dia nampitandrina azy ireo aho hoe: \u201cFa inona no ataonareo eto alohan\u2019ny manda eto? Raha mbola tratrako matory eto ianareo, dia izaho mihitsy no hanala anareo eto.\u201d Dia tsy tonga tamin\u2019ny Sabata intsony izy ireo taorian\u2019izay.",
        "22": "Nasaiko nanadio ny tenany foana koa ny Levita, ka ho avy hiambina ny vavahady, mba ho masina foana ny andro sabata. Ry Andriamanitro\u00a0\u00f4, mba tsarovy koa izany ka mba manaova soa amiko, ary iantrao aho fa tena be fitiavana sy tsy mivadika ianao.",
        "23": "Fantatro koa tamin\u2019izany fa nisy Jiosy nanambady vehivavy asdodita sy amonita ary moabita.",
        "24": "Tsy nisy nahay fiteny jiosy ny zanak\u2019izy ireo, fa niteny asdodita ny antsasany, ary niteny ny fitenin\u2019ny firenen-kafa ny antsasany.",
        "25": "Noteneniko mafy \u00e0ry izy ireo, dia nozoniko. Nokapohiko ny lehilahy sasany dia nongotako ny volony, ary nasaiko nianiana tamin\u2019ny anaran\u2019Andriamanitra ry zareo sady noteneniko hoe: \u201cAza manome ny zanakareo vavy ho vadin\u2019ny zanany lahy, ary aza maka ny zanany vavy ho vadin\u2019ny zanakareo lahy na ho vadinareo.",
        "26": "Tsy izany ve no nahatonga an\u2019i Solomona mpanjakan\u2019ny Israely hanota? Tsy nisy firenena nanana mpanjaka hoatr\u2019azy mihitsy, na taiza na taiza. Tia azy mantsy ny Andriamaniny, ka nanao azy ho mpanjakan\u2019ny Israely manontolo. Na izy aza anefa voataonan\u2019ireo vadiny hafa firenena ka lasa nanota.",
        "27": "Tsy mampino mihitsy hoe nahavita an\u2019izao zavatra ratsy be izao ianareo! Nivadika tamin\u2019ilay Andriamanitsika ianareo rehefa nanambady vehivavy hafa firenena.\u201d",
        "28": "Lasa vinantolahin\u2019i Sanbala Horonita ny iray tamin\u2019ny zanak\u2019i Joiada, zanak\u2019i Eliasiba mpisoronabe, ka noroahiko hiala teo amiko.",
        "29": "Tsarovy, ry Andriamanitro\u00a0\u00f4, fa nolotoin\u2019izy ireo ny asa fisoronana, ary nolotoiny koa ny fifanekena momba ny fisoronana sy momba ny Levita.",
        "30": "Dia nodioviko izy ireo ka nampiako mba tsy ho voataonan\u2019ny hafa firenena hanao ratsy intsony. Ary samy notendreko hanao ny andraikiny sy ny fanompoany ny mpisorona sy ny Levita.",
        "31": "Nalamiko koa ny famatsiana kitay amin\u2019ny fotoana voatondro sy ny voaloham-bokatra. Mba tsarovy aho ka tahio, ry Andriamanitro\u00a0\u00f4."
    },
    "meta": {
        "name": "Nehemia",
        "order": 15,
        "chapter_number": 13
    }
}