UNPKG

mg-bibles

Version:

A package for accessing Bible verses in Malagasy (MG), Diem, King James (KJV), and Louis Segond (APEE) versions

61 lines (60 loc) 9.26 kB
{ "1": { "1": "Izao no teny fanamelohana an\u2019i Ninive, ao amin\u2019ny boky mitantara ny fahitan\u2019i Nahoma Elkosita:", "2": "Andriamanitra mitaky ny hanompoana azy irery ihany i Jehovah, ary mamaly ny olona araka izay nataony. Mamaly ny olona araka izay nataony i Jehovah, sady efa hampiseho ny fahatezerany. Mamaly ny fahavalony araka izay nataony i Jehovah, Ary mitahiry fahatezerena amin\u2019izy ireny.", "3": "Tsy mora tezitra i Jehovah sady tena mahery. Tsy hataon\u2019i Jehovah afa-maina mihitsy anefa izay tokony hosazina. Ao anaty rivotra mandravarava sy tafio-drivotra izy no mandeha, Ary ny rahona no vovoka eo ambanin\u2019ny tongony.", "4": "Teneniny mafy ny ranomasina ka ataony ritra, Dia ataony maina koa ny renirano rehetra. Malazo i Basana sy Karmela, Ary malazo koa ny voninkazon\u2019i Lib\u00e0na.", "5": "Mihovotrovotra ny tendrombohitra noho ny aminy, Ary mitsonika ny havoana. Hanatrika eo izy ka hihozongozona ny tany, Sy izao tontolo izao ary izay rehetra eo aminy.", "6": "Iza no hahavita hijanona eo anatrehany rehefa tezitra izy? Ary iza no hahatanty ny fahatezerany? Hiraradraraka hoatran\u2019ny afo ny fahatezerany mafy, Ary ho potipotika ny vatolampy noho ny zavatra hataony.", "7": "Tsara i Jehovah, sady manda fiarovana amin\u2019ny andro fahoriana. Tsy hadinony mihitsy izay mialoka eo aminy.", "8": "Horavany tanteraka amin\u2019ny tondra-drano mahery be ilay tan\u00e0na, Ary hanenjika an\u2019ireo fahavalony ny haizina.", "9": "Inona no tetika eritreretinareo hanoherana an\u2019i Jehovah? Handringana tanteraka izy. Tsy hitranga fanindroany ny fahoriana.", "10": "Mifampidipiditra hoatran\u2019ny tsilo mantsy izy ireo, Sady hoatran\u2019ny olona mamon\u2019ny labiera. Ho levona hoatran\u2019ny vodivary maina anefa izy ireo.", "11": "Hipoitra avy ao aminao ny olona iray manao tetika hanoherana an\u2019i Jehovah, Sady manome torohevitra tsy misy dikany.", "12": "Izao no tenin\u2019i Jehovah: \u201cNa dia matanjaka be sady maro be aza izy ireo, Dia hovonoina ka ho faty daholo. Efa nampahoriko ianao, nefa tsy hampahoriko intsony.", "13": "Dia hotapahiko ny zioga nampitondrainy anao ka hesoriko aminao, Ary hotapahiko hizara roa ny zavatra namatorana anao.", "14": "Izao no didin\u2019i Jehovah momba anao: \u2018Tsy hanan-taranaka hitondra ny anaranao intsony ianao. Hofoanako tsy hisy ao an-tranon\u2019ny andriamanitrao ny sary sokitra sy ny sarivongana metaly. Dia hanamboatra fasana ho anao aho, satria olona tsy misy dikany ianao.\u2019", "15": "Mandeha eny an-tendrombohitra ny tongotr\u2019ilay mitondra vaovao tsara, Dia ilay mitory fiadanana. Ankalazao ireo fetinao, ry\u00a0Joda\u00a0\u00f4! Efao ny voadinao, Satria tsy handalo eo aminao intsony ilay olona tsy misy ilana azy, Fa ho ringana tanteraka.\u201d" }, "2": { "1": "Miakatra hamely anao ilay hanaparitaka anao. Asio mpiambina ny manda, Ary ambeno ny lalana. Miom\u00e0na, ka angony ny herinao rehetra.", "2": "Fa haverin\u2019i Jehovah amin\u2019ny laoniny ny voninahitr\u2019i Jakoba, Sy ny voninahitr\u2019i Israely, Satria efa nandravarava azy ny mpandravarava, Ary nopotehin\u2019izy ireo ny sampany vao mitsiry.", "3": "Nolokoana mena ny ampingan\u2019ny lehilahy maheriny, Ary miakanjo mena midorehitra ny miaramilany. Manjelanjelatra hoatran\u2019ny afo ny vy amin\u2019ny kalesy fitondrany miady, Amin\u2019ny andro iomanany hiady. Ary manambana amin\u2019ny lefona hazo ny miaramila.", "4": "Mirimorimo mafy eny an-dalana ny kalesy fitondra miady, Sady mivezivezy eny amin\u2019ny tany malalaka. Mazava be hoatran\u2019ny fanilo mirehitra ireny, sady manjelanjelatra hoatran\u2019ny tselatra.", "5": "Hantsoiny ireo manamboninahiny. Ho tafintohina izy ireny rehefa mandeha. Mihazakazaka ho eny amin\u2019ny mandany ireny, Ary manangana fefy hisakanana fahavalo.", "6": "Hisokatra ny vavahadin\u2019ny renirano, Ka hirodana ny lapa.", "7": "Izao no didy navoaka: Atao mitanjaka izy ka entina ho babo, Ary mitoreoreo hoatran\u2019ny voromailala ny mpanompovaviny, Sady mikapo-tratra.", "8": "Hoatran\u2019ny dobo i Ninive hatramin\u2019izay nisiany. Mandositra anefa izao ny olona. Misy miantsoantso hoe: \u201cMijan\u00f2na\u00a0e! Mijan\u00f2na re\u00a0e!\u201d, Nefa tsy misy mitodika.", "9": "Mandehana mandroba volafotsy sy volamena, Satria tsy mety lany ny harena, Ary feno zava-tsarobidy isan-karazany\u00a0ao.", "10": "Foana sy tsy misy mponina ary ravarava ilay tan\u00e0na! Mitebiteby ny fon\u2019izy ireo, mangozohozo ny lohaliny, mangovitra ny andilany, Ary boramena be ny tarehin\u2019izy rehetra.", "11": "Aiza ilay toerana ipetrahan\u2019ny liona? Ao ny liona tanora no mihinana ny rembiny, Avy ao ny liona no mivoaka rehefa mitarika ny zanany izy, Ary tsy misy mampatahotra azy\u00a0ao.", "12": "Namiravira haza ilay liona, ary nataony ampy ho an\u2019ny zanany ilay izy. Nanakenda haza ho an\u2019ireo liona vavy koa izy, Dia nofenoiny haza tao anatin\u2019ny lavaka misy azy, Ary nofenoiny biby noviraviraina ny toerana ipetrahany.", "13": "\u201cHamely anao aho\u201d, hoy i Jehovah Tompon\u2019ny tafika. \u201cHodorako ny kalesin\u2019adinao ka ho lasa setroka. Ho fatin\u2019ny sabatra ny liona tanora ao aminao, Ary tsy hihaza eny ambonin\u2019ny tany intsony ianao, fa hatsahatro izany. Dia tsy ho re intsony ny feon\u2019ny irakao.\u201d" }, "3": { "1": "Hahita loza ilay tan\u00e0na mpandatsa-dra! Mamitaka sy mandroba daholo ny olona\u00a0ao, Sady manana haza foana.", "2": "Mipoapoaka ny karavasy, mikatrokatroka ny kodiarana, Mihazakazaka mafy be ny soavaly, mitontontontona ny kalesy.", "3": "Manjelanjelatra ny sabatra sy ny lefona entin\u2019ny mpitaingin-tsoavaly, Be dia be ny olona voavono, ary mivangongo ny faty. Tsy hita isa ny faty, Ka voafingan\u2019ireny ny olona.", "4": "Imbetsaka mantsy ilay mpivaro-tena no nivaro-tena. Tsara tarehy sy mahay mambabo izy ary tena mahay milalao ody. Mamandrika firenena maro izy rehefa mivaro-tena, ary mamitaka vahoaka maro rehefa milalao ody.", "5": "\u201cHamely anao aho\u201d, hoy i Jehovah Tompon\u2019ny tafika. \u201cHingaiko hatreny amin\u2019ny tarehinao ny akanjonao, Ka hataoko hitan\u2019ireo firenena hoe mitanjaka ianao, Ary hitan\u2019ireo fanjakana hoe afa-baraka ianao.", "6": "Dia hotorahako zavatra maloto ianao, Ka hataoko afa-baraka, Sady hesoesoin\u2019ny olona.", "7": "Handositra anao izay rehetra mahita anao, ka hiteny hoe: \u2018Noravana i Ninive! Iza no mba hiantra azy?\u2019 Aiza no hahitako olona hampionona anao?", "8": "Angaha ianao tsara noho i No-amona, ilay teo amoron\u2019ny lakandranon\u2019i Neily? Voahodidin\u2019ny rano izy, Ary ny ranomasina no harenany sady nataony manda.", "9": "I Etiopia sy Ejipta no tena heriny, ary tsy nisy fetrany izany heriny izany. I Pota sy ny Libyanina no nanampy anao.", "10": "Na izy koa aza anefa natao sesitany, Sady lasa babo. Natao torotoro teny an-joron-dalana rehetra teny ny zanany. Natao antsapaka ireo lehilahy manan-kaja teo aminy, Ary nasiana gadra\u00a0vy daholo ny olona ambony.", "11": "Ho mamo koa ianao, Dia hiafina. Hitady fialofana ianao mba tsy ho tratran\u2019ny fahavalo.", "12": "Ny manda rehetra ao aminao, dia hoatran\u2019ny aviavy misy voany masaka voalohany. Raha vao hozongozonina ireo, dia hilatsaka ao am-bavan\u2019ny mpihinana.", "13": "Hoatran\u2019ny vehivavy ny miaramila eo aminao. Hidanadana ny vavahadin\u2019ny taninao ka hidiran\u2019ny fahavalonao, Ary ho levon\u2019ny afo ny bara hidiny.", "14": "Mak\u00e0 rano fa hisy fahirano. Hamafiso koa ny mandanao. Mid\u00ecna eny amin\u2019ny fotaka, ka hitsakitsaho ny tanimanga, Ary raiso ny lasitra fanaovam-biriky.", "15": "Na eny aza anefa ianao, dia ho levon\u2019ny afo. Ho fatin\u2019ny sabatra koa ianao. Handripaka anao ireny, hoatran\u2019ny zana-balala mandripaka zavamaniry. Ampitomboy ny isan\u2019ny olona ao aminao, mba ho be dia be hoatran\u2019ny zana-balala, Ka ho lasa maro be toy ny valala.", "16": "Efa nataonao maro noho ny kintana eny amin\u2019ny lanitra ny mpivarotra ao aminao. Miofo ny zana-balala, dia lasa manidina.", "17": "Hoatran\u2019ny valala ny mpiambina eo aminao, Ary hoatran\u2019ny andiam-balala ireo manamboninahitra eo aminao. Mipetrapetraka eny amin\u2019ny vala vita amin\u2019ny vato izy rehefa mangatsiaka ny andro, Nefa lasa manidina rehefa miposaka ny masoandro, Ka tsy misy mahafantatra hoe aiza no misy azy.", "18": "Rendremana ny mpiandry eo aminao, ry\u00a0mpanjakan\u2019i Asyria\u00a0\u00f4! Mijanona ao an-tranony ny olona ambony eo aminao. Miparitaka eny amin\u2019ny tendrombohitra ny vahoakanao, Ary tsy misy mamory azy.", "19": "Tsy mety tapitra mihitsy ny loza manjo anao. Tsy ho sitrana intsony ny ferinao. Dia hitehaka daholo izay mandre ny momba anao. Fa iza moa no tsy efa nijaly satria ianao nahery setra be foana?\u201d" }, "meta": { "name": "Nahoma", "order": 33, "chapter_number": 3 } }