UNPKG

mg-bibles

Version:

A package for accessing Bible verses in Malagasy (MG), Diem, King James (KJV), and Louis Segond (APEE) versions

254 lines (253 loc) 39.5 kB
{ "1": { "1": "Ny tenin\u2019ilay mpamory vahoaka, ilay zanak\u2019i Davida, ilay mpanjaka eto Jerosalema.", "2": "\u201cTena tsisy dikany!\u201d, hoy ilay mpamory vahoaka, \u201cTena tsisy dikany! Tsisy dikany ny zava-drehetra!\u201d", "3": "Inona no tombony azon\u2019ny olona avy amin\u2019ny asa mafy rehetra ataony, Dia izay isasarany et\u1ef3 ambanin\u2019ny masoandro?", "4": "Lasa ny taranaka iray, ary mandimby azy ny taranaka iray, Fa ny tany kosa maharitra mandrakizay.", "5": "Miposaka ny masoandro, ary milentika, Dia avy eo miverina haingana any amin\u2019ilay toerana iposahany indray.", "6": "Mianatsimo ny rivotra, ary mihodina mianavaratra. Mihodinkodina foana izy, ary mihodinkodina tsy an-kijanona.", "7": "Mikoriana mankany an-dranomasina daholo ny renirano, nefa tsy tondraka ny ranomasina. Any amin\u2019izay niavian\u2019ny renirano ihany no iverenany, dia avy any indray izy no mikoriana.", "8": "Mandreraka daholo ny zava-drehetra, Ka tsy misy mahavita mitanisa an\u2019izany. Tsy leon\u2019ny mijery ny maso, Ary tsy leon\u2019ny mihaino koa ny sofina.", "9": "Izay efa nitranga ihany no mbola hitranga, Ary izay efa natao ihany no mbola hatao. Tsy misy zava-baovao et\u1ef3 ambanin\u2019ny masoandro.", "10": "Angaha misy zavatra azon\u2019ny olona lazaina hoe vaovao? Tsy misy fa efa nisy hatry ny ela ilay izy, Efa ela\u00a0be talohan\u2019izao androntsika izao.", "11": "Tsy misy mahatadidy an\u2019izay olona efa tany aloha tany. Izay mbola ho avy koa tsy ho tadidin\u2019izay handimby azy, Ary na ireo handimby ireo koa aza tsy ho tadidin\u2019izay ho avy any aoriany.", "12": "Izaho mpamory vahoaka dia mpanjakan\u2019ny Israely eto Jerosalema.", "13": "Niezaka tamin\u2019ny foko manontolo aho nampiasa ny fahendreko, ka nandinika an\u2019izay rehetra atao et\u1ef3 ambanin\u2019ny lanitra. Nohadihadiko tsara koa ny asa nomen\u2019Andriamanitra ny zanak\u2019olombelona, izany hoe ny asa mampijaly ilofosan\u2019izy ireo.", "14": "Nodinihiko izay rehetra atao et\u1ef3 ambanin\u2019ny masoandro, Ka hitako hoe tsisy dikany ny zava-drehetra fa misambo-drivotra fotsiny.", "15": "Izay mibilaka dia tsy azo ahitsy, Ary izay tsy eo tsy azo isaina.", "16": "Dia hoy aho anakampo: \u201cNahazo fahendrena\u00a0be aho, mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema. Manana fahendrena sy fahalalana\u00a0be koa aho ato am-poko.\u201d", "17": "Niezaka tamin\u2019ny foko manontolo aho hahalala ny atao hoe fahendrena sy ny atao hoe hadalana ary ny hoe manao adaladala. Misambo-drivotra fotsiny koa anefa izany.", "18": "Fa rehefa be ny fahendrena dia be koa ny fahasosorana. Rehefa mitombo \u00e0ry ny fahalalana, dia mitombo koa ny fahoriana." }, "2": { "1": "Dia hoy aho anakampo: \u201cAndeha aho mba hanao izay mahafinaritra ahy, dia ho hitako eo raha tsara ny vokany.\u201d Hitako anefa fa tsisy dikany koa izany.", "2": "Hoy aho momba ny fihomehezana: \u201cHadalana fotsiny izany!\u201d Ary hoy aho momba ny fahafinaretana: \u201cTsy mitondra mankaiza akory!\u201d", "3": "Namantatra an\u2019izany hoe manaram-po misotro divay izany aho, nefa mbola niezaka ny ho hendry koa. Nanandrana nanao hadalana mihitsy aza aho, mba hahafantarako an\u2019izay zavatra tsara indrindra tokony hataon\u2019ny olombelona et\u1ef3 ambanin\u2019ny lanitra, mandritra ny andro vitsy iainany.", "4": "Nanao zavatra miavaka\u00a0be aho: Nanorina trano be\u00a0dia be, nanao tanimboaloboka maro,", "5": "nanao zaridaina sy saha, dia namboly voankazo isan-karazany tao,", "6": "ary nanamboatra dobo be\u00a0dia be hanondrahana ala kely mandrobona.", "7": "Nahazo mpanompo lahy sy vavy maro aho, ary nanana mpanompo teraka tao an-tranoko. Nanana biby fiompy be\u00a0dia be koa aho, dia omby sy ondry aman\u2019osy, mihoatra noho ny an\u2019izay rehetra talohako teto Jerosalema.", "8": "Nahangona volafotsy sy volamena aho, dia ny harenan\u2019ny mpanjaka sy ny an\u2019ny faritany. Nahazo mpihira lahy sy vavy be\u00a0dia be aho, sady nanana an\u2019ilay tena mahafinaritra ny zanak\u2019olombelona, dia ny vehivavy, ary vehivavy be\u00a0dia be mihitsy aza.", "9": "Vao mainka \u00e0ry aho lasa ambony ka nihoarako daholo izay talohako teto Jerosalema. Mbola nanam-pahendrena foana anefa aho.", "10": "Tsy mba nihafihafy mihitsy aho rehefa nisy zavatra niriko. Nataoko daholo izao zavatra mahafinaritra rehetra izao, satria nahafaly ny foko ny asa mafy rehetra nataoko. Izany no valisoa azoko, noho ny asa mafy rehetra nataoko.", "11": "Rehefa nisaintsaina ny zavatra rehetra nataon\u2019ny tanako sy ny asa mafy rehetra nisasarako anefa aho, dia hitako hoe tsisy dikany ny zava-drehetra fa misambo-drivotra fotsiny. Tsy misy zavatra mba tena hoe misy vidiny et\u1ef3 ambanin\u2019ny masoandro.", "12": "Dia nofantariko indray ny atao hoe fahendrena sy hadalana ary ny hoe very saina. Inona moa no mba ho vitan\u2019izay olona handimby ny mpanjaka? Izay efa natao teo aloha ihany.", "13": "Dia hitako fa misy tombony kokoa noho ny hadalana ny fahendrena, mitovy amin\u2019ny hoe misy tombony kokoa noho ny haizina ny hazavana.", "14": "Mahita tsara an\u2019izay lalana halehany ny hendry, fa mirenireny ao amin\u2019ny maizina kosa ny adala. Lasa fantatro koa fa mitovy ihany ny hiafaran\u2019izy rehetra.", "15": "Avy eo dia hoy aho anakampo: \u201cIzay hiafaran\u2019ny adala ihany no hiafarako.\u201d Koa inona ny tombony azoko na dia lasa hendry\u00a0be tahaka ny inona aza aho? Dia hoy aho anakampo: \u201cMbola tsisy dikany koa izany.\u201d", "16": "Na ny hendry mantsy na ny adala, dia tsy hoe hotsaroana foana. Samy ho hadino daholo ny olona, rehefa any aoriana any. Ary ahoana no hahafatesan\u2019ny hendry? Mitovy amin\u2019ny hahafatesan\u2019ny adala ihany.", "17": "Lasa halako \u00e0ry ny fiainana, satria hoatran\u2019ny manorisory ahy daholo izay zavatra atao et\u1ef3 ambanin\u2019ny masoandro. Fa tsisy dikany ny zava-drehetra fa misambo-drivotra fotsiny.", "18": "Lasa halako ny zavatra rehetra nisasarako tet\u1ef3 ambanin\u2019ny masoandro, satria tsy maintsy avelako ho an\u2019izay olona handimby ahy.", "19": "Ary iza no mahalala raha ho hendry izany olona izany na ho adala? Izaho no nikely aina niasa mafy sady nampiasa ny fahendreko rehetra, nefa dia izy no hanjaka amin\u2019ny zavatra rehetra azoko tet\u1ef3 ambanin\u2019ny masoandro. Tsisy dikany koa izany.", "20": "Dia namoy fo aho noho ny asa mafy rehetra nisasarako tet\u1ef3 ambanin\u2019ny masoandro.", "21": "Fa mety hiasa mafy ny olona iray ka hampiasa ny fahendreny sy ny fahalalany ary ny fahaizany, nefa avy eo izy voatery hanome ny fananany ho an\u2019ny olona tsy nisasatra tamin\u2019izany akory. Tsisy dikany koa izany ary tena loza.", "22": "Fa inona no mba tombony azon\u2019ny olona amin\u2019ny asa mafy rehetra ataony sy ny fikirizany hiasa mafy, et\u1ef3 ambanin\u2019ny masoandro?", "23": "Fa mankarary ny fony sy mahasosotra azy foana izay ataony, mandritra ny androm-piainany. Na amin\u2019ny alina aza dia mbola tsy tony koa ny fony. Tsisy dikany koa izany.", "24": "Tsy misy mahasoa ny olona mihoatra noho ny hoe mihinana sy misotro, dia mankafy ny asa mafy ataony. Lasa fantatro koa fa avy amin\u2019ilay tena Andriamanitra izany.", "25": "Fa iza no nihinana sy nisotro zavatra tsara kokoa noho izaho?", "26": "Ny olona mampifaly an\u2019Andriamanitra no omeny fahendrena sy fahalalana ary fifaliana. Fa ny mpanota kosa ampiasainy hanangona fananana fotsiny, mba homena an\u2019izay mampifaly an\u2019ilay tena Andriamanitra. Tsisy dikany koa izany fa misambo-drivotra fotsiny." }, "3": { "1": "Misy fotoanany avy ny zava-drehetra, Eny, misy fotoanany daholo ny zava-drehetra atao et\u1ef3 ambanin\u2019ny lanitra:", "2": "Misy fotoana ahaterahana ary misy fotoana ahafatesana. Misy fotoana ambolena ary misy fotoana anongotana an\u2019izay nambolena.", "3": "Misy fotoana amonoana ary misy fotoana anasitranana. Misy fotoana andravana ary misy fotoana anorenana.", "4": "Misy fotoana itomaniana ary misy fotoana ihomehezana. Misy fotoana idradradradrana ary misy fotoana andihizana.", "5": "Misy fotoana anariana vato ary misy fotoana anangonana vato. Misy fotoana amihinana ary misy fotoana tsy amihinana.", "6": "Misy fotoana itadiavana ary misy fotoana amoizana an\u2019izay very. Misy fotoana itehirizana ary misy fotoana anariana.", "7": "Misy fotoana androvitana ary misy fotoana anjairana. Misy fotoana anginana ary misy fotoana itenenana.", "8": "Misy fotoana itiavana ary misy fotoana ankahalana. Misy fotoana iadiana ary misy fotoana ihavanana.", "9": "Inona no mba tombony azon\u2019ny mpiasa amin\u2019ny ezaka mafy rehetra ataony?", "10": "Efa hitako ny asa nomen\u2019Andriamanitra ny zanak\u2019olombelona mba hataon\u2019izy ireo.", "11": "Nataon\u2019Andriamanitra tsara\u00a0be daholo ny zava-drehetra, sady tamin\u2019ny fotoanany avy. Nataony ao am-pon\u2019ny olombelona mihitsy aza ny faniriana hiaina mandrakizay. Tsy ho takatry ny sain\u2019ny olombelona hatramin\u2019ny voalohany ka hatramin\u2019ny farany mihitsy anefa izay ataon\u2019ilay tena Andriamanitra.", "12": "Fantatro \u00e0ry izao fa tsy misy mahasoa azy ireo mihoatra noho ny mifalifaly sy manao izay tsara mandritra ny androm-piainany.", "13": "Fantatro koa fa tokony hihinana sy hisotro ary hankafy ny asa mafy rehetra ataony daholo ny olona. Fanomezana avy amin\u2019Andriamanitra izany.", "14": "Fantatro fa haharitra mandrakizay ny zava-drehetra nataon\u2019ilay tena Andriamanitra. Tsy azo anampiana na analana izany. Nataon\u2019Andriamanitra hoatr\u2019izany mihitsy ny zava-drehetra, mba hahatonga ny olona hatahotra azy.", "15": "Izay efa nitranga ihany no mitranga, ary izay efa nisy ihany no mbola hisy. Izay nokatsahin\u2019ny olona ihany anefa no karohin\u2019Andriamanitra.", "16": "Izao koa no hitako et\u1ef3 ambanin\u2019ny masoandro: Ao amin\u2019izay tokony hanjakan\u2019ny rariny no misy faharatsiana, ary ao amin\u2019izay tokony hanjakan\u2019ny fahamarinana no misy faharatsiana.", "17": "Dia hoy aho anakampo: \u201cSamy hotsarain\u2019ilay tena Andriamanitra ny olo-marina sy ny ratsy fanahy. Misy fotoanany avy mantsy ny zava-drehetra atao sy ny asa rehetra.\u201d", "18": "Ary niteny anakampo aho hoe hotsapain\u2019Andriamanitra ny zanak\u2019olombelona, ary hampahafantariny azy ireo fa toy ny biby ihany izy ireo.", "19": "Fa manam-piafarana ny olombelona ary manam-piafarana koa ny biby. Mitovy ihany ny hiafaran\u2019izy ireo. Fa toy ny ahafatesan\u2019ny biby ihany no ahafatesan\u2019ny olona, ary iray ihany ny hery mamelona azy ireo. Tsy misy maha ambony ny olona amin\u2019ny biby \u00e0ry, fa tsisy dikany ny zava-drehetra.", "20": "Samy mankany amin\u2019ny toerana iray izy rehetra. Avy tamin\u2019ny vovoka daholo izy rehetra, ary hiverina ho vovoka daholo.", "21": "Iza no tena mahalala raha miakatra any ambony na tsia ny hery mamelona ny olombelona, ary raha midina amin\u2019ny tany na tsia ny hery mamelona ny biby?", "22": "Hitako fa tsy misy mahasoa ny olona mihoatra noho ny mankafy ny asa ataony, satria izany no valisoany. Fa iza moa no afaka mampiseho azy an\u2019izay hitranga rehefa maty izy?" }, "4": { "1": "Dia nodinihiko indray ny fampijaliana rehetra mitranga et\u1ef3 ambanin\u2019ny masoandro. Hitako ny ranomason\u2019ny olona ampijalina, nefa tsy mba nisy olona nampionona azy. Nanana fahefana mantsy ny mpampijaly azy, ka tsy mba nisy olona nampionona azy.", "2": "Amiko dia sambatra ny olona efa maty, raha oharina amin\u2019izay mbola velona.", "3": "Mbola sambatra noho ireo anefa izay mbola tsy teraka, satria tsy mahita ny zava-dratsy mitranga et\u1ef3 ambanin\u2019ny masoandro.", "4": "Ary hitako fa rehefa mifaninana ny olona, dia mahavita miezaka\u00a0be sy mahavita asa tsara. Tsisy dikany koa izany fa misambo-drivotra fotsiny.", "5": "Kamo miasa ny tsisy saina, ka mahatonga loza ho an\u2019ny tenany.", "6": "Aleo fialan-tsasatra eran\u2019ny tanan\u2019ila, toy izay asa mafy eran\u2019ny tanan-droa nefa misambo-drivotra fotsiny.", "7": "Nodinihiko indray ny zavatra hafa tsisy dikany et\u1ef3 ambanin\u2019ny masoandro, ka izao no hitako:", "8": "Misy olona irery sady tsy mba mana-namana. Tsy mba manan-janaka na rahalahy koa izy, nefa tsy misy farany ny asa mafy ataony. Tsy mety afa-po amin\u2019ny harena mihitsy ny masony. Mba mieritreritra anefa ve izy hoe: \u2018Ho an\u2019iza moa no iasako mafy hoatr\u2019izao? Ary ho an\u2019iza no mahatonga ahy hihafy sy tsy hankafy zavatra tsara\u2019? Tsisy dikany koa izany sady asa mampahory.", "9": "Tsara ny roa noho ny iray, satria ahazoan\u2019izy ireo valisoa lehibe ny asa mafy ataony.", "10": "Fa raha lavo ny iray, dia afaka manampy azy hiarina ilay namany. Fa inona kosa no hanjo azy raha tsy misy manampy azy hiarina?", "11": "Raha miara-matory ny roa dia hafana. Fa ahoana kosa no hampahafana olona iray ihany?", "12": "Ny olon-tokana mety ho resin\u2019ny olona iray, fa raha olon-droa kosa hahatohitra azy. Ary tsy mora tapahina ny tady randran-telo.", "13": "Aleo ankizy mahantra nefa hendry, toy izay mpanjaka antitra nefa adala, ka tsy mahatsapa intsony hoe mila manaraka fampitandremana.", "14": "Fa avy nigadra izy no lasa mpanjaka, nefa nahantra izy tamin\u2019izy teraka nandritra ny fitondran\u2019io mpanjaka io.", "15": "Nodinihiko izay nitranga tamin\u2019ny velona rehetra mandehandeha et\u1ef3 ambanin\u2019 ny masoandro, sy tamin\u2019ilay ankizy nandimby an\u2019ilay mpanjaka.", "16": "Tsy voaisa ny olona mpanohana azy. At\u1ef3 aoriana anefa, dia tsy ho faly aminy intsony ny vahoaka. Tsisy dikany koa izany fa misambo-drivotra fotsiny." }, "5": { "1": "Mitandrema tsara ianao isaky ny mankao an-tranon\u2019ilay tena Andriamanitra. Fa aleo mankao mba hihaino, toy izay manao sorona hoatran\u2019ny ataon\u2019ny tsisy saina. Tsy fantany akory mantsy hoe ratsy ny ataony.", "2": "Aza faingam-bava, ary aza entim-po fotsiny ka lasa maika hiteny eo anatrehan\u2019ilay tena Andriamanitra. Fa izy any an-danitra ary ianao kosa et\u1ef3 an-tany, ka tsy tokony hiteny betsaka ianao.", "3": "Fa ny adin-tsaina be\u00a0loatra no mahatonga nofy, ary lasa miteniteny foana ny tsisy saina rehefa be\u00a0resaka loatra.", "4": "Raha mivoady amin\u2019Andriamanitra ianao, dia aza miandry ela vao manatanteraka, satria tsy mahafaly azy ny tsisy saina. Koa tanteraho ny voadinao.", "5": "Aleo tsy mivoady, toy izay mivoady nefa tsy manatanteraka.", "6": "Aza avela hampanota anao ny vavanao, ary aza miteny eo anatrehan\u2019ny anjely hoe: \u201cDiso aho tamin\u2019iny.\u201d Maninona ianao no mampahatezitra an\u2019Andriamanitra amin\u2019izay lazainao, ka voatery handrava ny asan\u2019ny tananao izy?", "7": "Fa ny adin-tsaina be loatra no mahatonga nofy, dia hoatr\u2019izany koa fa lasa miteniteny foana izay be\u00a0resaka loatra. Matahora anefa an\u2019ilay tena Andriamanitra.", "8": "Aza gaga ianao raha mahita hoe ampijalina ny mahantra ary hitsakitsahina ny rariny sy ny hitsiny, ao amin\u2019ny faritaninao. Fa ny manam-pahefana ambony toy izany dia dinihin\u2019ny olona ambony kokoa noho izy, ary mbola misy ambony kokoa noho izy ireo.", "9": "Ifampizaran\u2019izy rehetra koa ny tombony azo avy amin\u2019ny tany. Ary na ny mpanjaka aza mila ny vokatra avy eny an-tsaha.", "10": "Tsy ho afa-po amin\u2019izay volafotsy ananany mihitsy izay tia volafotsy. Ary tsy ho afa-po amin\u2019izay harena azony izay tia harena. Tsisy dikany koa izany.", "11": "Rehefa mitombo ny harena, dia mitombo koa ny mpihinana azy. Dia inona moa no soa azon\u2019ny tompony amin\u2019izany afa-tsy ny mijery an\u2019ilay izy fotsiny?", "12": "Mamy ny torimason\u2019ny mpanompo, na kely na betsaka ny sakafony, fa ny habetsahan\u2019ny fananan\u2019ny mpanankarena kosa no tsy ahitany tory.", "13": "Izao no tena loza hitako et\u1ef3 ambanin\u2019ny masoandro: Ny harena nangonin\u2019ny tompony ihany no mampidi-kizo azy.", "14": "Ary ritra izany harena izany satria tsy nahomby ny zavatra nataony. Dia lasa tsy manana na inona na inona intsony izy rehefa manan-janaka lahy.", "15": "Mitanjaka ny olona rehefa nivoaka avy tao an-kibon-dreniny, ary toy izany koa izy rehefa maty. Tsy afaka mitondra na inona na inona avy amin\u2019ny asa mafy nataony izy.", "16": "Izao koa ny tena loza: Hoatran\u2019ny tamin\u2019izy teraka ihany ny olona rehefa lasa. Koa inona moa no tombony azon\u2019izay miasa mafy ho an\u2019ny rivotra fotsiny?", "17": "Misakafo ao anatin\u2019ny haizina izy isan\u2019andro, sady sorena\u00a0be sy marary ary tezitra.", "18": "Izao no zavatra hitako hoe tsara sy mety: Tokony hihinana sy hisotro ary hankafy ny asa mafy isasarany et\u1ef3 ambanin\u2019ny masoandro ny olona, mandritra ny andro vitsy omen\u2019Andriamanitra azy, fa izany no valisoany.", "19": "Rehefa omen\u2019Andriamanitra harena sy fananana ny olona sady avelany hankafy an\u2019ireny, dia tokony handray ny valisoany izy ka hifaly amin\u2019ny asa mafy ataony. Fanomezana avy amin\u2019Andriamanitra izany.", "20": "Fa tsy tena ho tsapany hoe mandalo ihany ny androm-piainany, satria ataon\u2019ilay tena Andriamanitra revo amin\u2019ny zavatra mahafaly ny fony izy." }, "6": { "1": "Misy loza hafa koa hitako et\u1ef3 ambanin\u2019ny masoandro, sady fahita eo amin\u2019ny olona:", "2": "Misy olona omen\u2019ilay tena Andriamanitra harena sy fananana ary voninahitra, ka azony daholo izay iriny. Tsy avelan\u2019Andriamanitra hankafy an\u2019ireny akory anefa izy, fa olon-kafa indray no mankafy azy. Tsisy dikany izany sady tena mampalahelo.", "3": "Na dia miteraka zato aza ny lehilahy iray, ary ela velona sy tratrantitra, nefa tsy mankafy ny zavatra tsara ananany izy raha mbola tsy tonga any am-pasana, dia hoy aho hoe ny zaza maty tao an-kibon-dreniny aza mbola tsara kokoa noho izy.", "4": "Tsisy dikany ny nahatongavan\u2019ilay zaza ary tao anaty haizina izy no lasa, sady rakotry ny haizina ny anarany.", "5": "Tsy nahita masoandro mihitsy izy sady tsy nahalala na inona na inona, nefa aleo ny nanjo azy toy izay ny nanjo an\u2019ilay lehilahy tratrantitra.", "6": "Inona moa no tombony azo raha hoe velona arivo taona, na roa arivo taona aza, nefa tsy mankafy fiainana akory? Angaha tsy mitovy ihany ny toerana alehan\u2019ny olona rehetra?", "7": "Ny asa mafy rehetra ataon\u2019ny olona dia mba hahavoky ny kibony, nefa tsy mety afa-po mihitsy izy.", "8": "Inona no tombony ananan\u2019ny hendry raha oharina amin\u2019ny adala? Ary inona no soa azon\u2019ny mahantra raha mahay mitady izay hahavelona azy fotsiny izy?", "9": "Aleo mifaly amin\u2019izay hitan\u2019ny maso toy izay mitsiriritra zavatra tsy ho azo. Tsisy dikany koa izany fa misambo-drivotra fotsiny.", "10": "Izay misy amin\u2019izao dia efa nomena anarana taloha ihany, ary lasa fantatra tsara hoe hoatran\u2019ny ahoana marina ny olona. Tsy afaka mifamaly amin\u2019izay mahery noho izy koa izy.", "11": "Arakaraka ny itenenana be no mampiteniteny foana. Dia inona no tombony azon\u2019ny olona amin\u2019izany?", "12": "Iza no mahalala hoe inona ny zavatra tsara indrindra tokony hataon\u2019ny olona mandritra ny andro vitsy iainany, amin\u2019izao fiainana poakaty sy mandalo toy ny aloka izao? Fa iza no afaka milaza amin\u2019ny olona an\u2019izay hitranga et\u1ef3 ambanin\u2019ny masoandro rehefa maty izy?" }, "7": { "1": "Aleo laza tsara toy izay menaka manitra, ary aleo ny andro ahafatesana toy izay ny andro ahaterahana.", "2": "Aleo mankany amin\u2019ny trano misy fisaonana toy izay mankany amin\u2019ny trano misy fanasana, satria fahafatesana no hiafaran\u2019ny olombelona rehetra, ka tokony hisaintsaina an\u2019izany ny velona.", "3": "Aleo alahelo toy izay fihomehezana, satria mahatsara fo ny endrika malahelohelo.", "4": "Ao amin\u2019ny trano misy fisaonana ny fon\u2019ny hendry, fa ao amin\u2019ny trano misy fety kosa ny fon\u2019ny adala.", "5": "Aleo mihaino ny anatra mafy omen\u2019ny olon-kendry toy izay mihaino ny hiran\u2019ny adala.", "6": "Fa toy ny tsilo mirehitra sady mipoapoaka ao ambany vilany ny fihomehezan\u2019ny adala. Tsisy dikany koa izany.", "7": "Mety hanaonao foana anefa ny hendry rehefa ampijalina. Ary mety hanimba ny fo ny kolikoly.", "8": "Aleo ny fiafaran\u2019ny raharaha toy izay ny fiandohany. Aleo olona manam-paharetana toy izay olona manambony tena.", "9": "Aza mora tezitra, fa toetran\u2019ny adala izany mora tezitra izany.", "10": "Aza miteny hoe: \u201cFa maninona re no tsara noho ny amin\u2019izao ny taloha\u00a0e?\u201d Tsy fahendrena ho anao mantsy ny manontany an\u2019izany.", "11": "Tsara sady tombony ho an\u2019izay mahita masoandro ny fahendrena raha mbola ampiana lova.", "12": "Fiarovana hoatran\u2019ny vola ihany mantsy ny fahendrena. Izao anefa ny tombony azo amin\u2019ny fahalalana: Rehefa ampiarahina amin\u2019ny fahendrena izy io, dia miaro ny ain\u2019izay manana azy.", "13": "Diniho ny asan\u2019ilay tena Andriamanitra, fa iza no afaka manitsy an\u2019izay efa nataony mibilaka?", "14": "Amin\u2019ny fotoana mahafaly dia mifalia ka manehoa toetra tsara. Amin\u2019ny fotoan-tsarotra kosa dia tadidio fa samy nataon\u2019Andriamanitra ireo fotoana ireo mba tsy hahafantaran\u2019ny olona an\u2019izay hitranga aminy any aoriana any.", "15": "Efa hitako daholo ny zava-drehetra, nandritra ny fiainana poakaty niainako. Hitako ny olo-marina maty nefa nanao ny tsara, ary hitako koa ny ratsy\u00a0fanahy ela\u00a0velona nefa manao ratsy.", "16": "Aza marina loatra, ary aza miseho ho hendry loatra. Fa nahoana ianao no dia mampidi-kizo ny tenanao?", "17": "Aza ratsy toetra loatra, ary aza manao adaladala. Fa nahoana ianao no ho faty aloha\u00a0be?", "18": "Tena tsara raha arahinao ilay anatra voalohany, sady tsy lavinao koa ilay faharoa. Fa izay matahotra an\u2019Andriamanitra no hanaraka an\u2019ireo anatra roa ireo.", "19": "Ny fahendrena no mahatonga ny lehilahy hendry iray hahery kokoa noho ny lehilahy matanjaka folo ao amin\u2019ny tan\u00e0na iray.", "20": "Tsy misy olo-marina mahavita manao ny tsara foana mantsy eto ambonin\u2019ny tany, fa tsy maintsy manota ihany izy.", "21": "Aza raisina am-po daholo ny teny rehetra lazain\u2019ny olona, sao ianao haheno ny mpanomponao manozona anao.", "22": "Fantatrao tsara mantsy fa na ianao koa aza mba efa imbetsaka no nanozona ny hafa.", "23": "Nampiasa ny fahendreko aho ka nodinihiko izany rehetra izany. Dia hoy aho: \u201cHo hendry aho.\u201d Tsy lasa hendry mihitsy anefa aho.", "24": "Tsy takatry ny saina ny zava-mitranga rehetra fa lalina dia lalina. Iza no mahatakatra an\u2019izany?", "25": "Tapa-kevitra aho ny hamantatra sy handinika ary hikaroka ny atao hoe fahendrena sy ny antony mampisy ny zava-drehetra. Niezaka mafy koa aho ny hahatakatra fa ratsy ny hoe tsisy saina ary hadalana ny hoe very saina.", "26": "Dia izao no hitako: Mangidy noho ny fahafatesana ny vehivavy hoatran\u2019ny harato famandrihana, nefa koa ny fony toy ny harato tarihina, ary ny tanany toy ny gadra\u00a0vy. Ny olona mampifaly an\u2019ilay tena Andriamanitra no ho afaka hiala aminy, fa ny mpanota kosa azony.", "27": "\u201cIzao no hitako\u201d, hoy ilay mpamory vahoaka, \u201crehefa avy nodinihiko tsirairay ny zava-drehetra mba hahitako an\u2019izay hamintinako azy,", "28": "nefa tsy hitako akory izay efa nokarohiko foana: Tamin\u2019ny olona arivo, dia nahita lehilahy iray manao ny marina aho, fa tsy nahita vehivavy manao ny marina na iray aza.", "29": "Izao ihany no hitako: Mahitsy fo no nanaovan\u2019ilay tena Andriamanitra ny olombelona, saingy naleon\u2019izy ireo namorona tetika be dia\u00a0be.\u201d" }, "8": { "1": "Iza no mitovy amin\u2019ny olon-kendry? Iza no mahay mamaha olana? Hita eny amin\u2019ny tarehin\u2019ny olona hoe manam-pahendrena izy, ary lasa miramirana ilay endriny masiaka.", "2": "Hoy aho: \u201cAnkatoavy ny didin\u2019ny mpanjaka, satria nianiana tamin\u2019Andriamanitra ianao.", "3": "Aza maika hiala eo anatrehan\u2019ny mpanjaka. Ary aza mikiry manao ratsy, fa azon\u2019ny mpanjaka atao daholo ange izay tiany hatao\u00a0e!", "4": "Ny mpanjaka mantsy no tompon\u2019ny teny farany. Koa iza no afaka milaza aminy hoe: \u2018Inona ity ataonao?\u2019\u201d", "5": "Tsy mba hisy zava-dratsy hanjo an\u2019izay mankat\u00f2 ny didy. Ary ho fantatry ny olona manana fo hendry ny fotoana mety sy izay tokony hatao.", "6": "Fa be\u00a0loatra ny olana mahazo ny olombelona, ka tokony halaminy amin\u2019ny fotoana mety sy araka ny tokony ho izy daholo ny zava-drehetra.", "7": "Na izay hitranga amin\u2019ny hoavy aza tsy misy mahalala, koa mainka fa ny fomba hitrangan\u2019izany!", "8": "Tsy misy olona manana fahefana amin\u2019ny ainy na mahavita mitazona ny ainy. Hoatr\u2019izany koa fa tsy misy olona afaka mifidy ny andro ahafatesany. Tsy misy afa-miala tsy handeha hiady rehefa misy ady, dia hoatr\u2019izany koa fa tsy ho afa-maina amin\u2019ny vokatry ny ataony izay zatra manao ratsy.", "9": "Efa hitako izany rehetra izany, ary nodinihiko daholo ny zavatra atao et\u1ef3 ambanin\u2019ny masoandro. Nandritra izany fotoana izany, dia nifampitondra ny olona samy olona ka nijaly ny vahoaka.", "10": "Hitako ny nandevenana ny ratsy fanahy, izany hoe ny olona nivezivezy nivoaka sy niditra tao amin\u2019ny toerana masina. Vetivety anefa izy ireny dia hadino tao amin\u2019ilay tan\u00e0na nanaovany ny asa ratsiny. Tsisy dikany koa izany.", "11": "Rehefa tsy tonga dia sazina amin\u2019ny ratsy nataony ny olona, dia vao mainka mikiry manao ratsy ny fony.", "12": "Na dia manao ratsy injato aza ny mpanota, ary mbola ela\u00a0velona ihany, dia fantatro fa ho tsara fiafara izay matahotra an\u2019ilay tena Andriamanitra, satria matahotra Azy.", "13": "Ho ratsy fiafara kosa ny ratsy fanahy, ary tsy ho vitany koa ny hanalava ny androm-piainany izay toy ny aloka, satria izy tsy matahotra an\u2019Andriamanitra.", "14": "Izao koa ny zavatra tsisy dikany mitranga eto ambonin\u2019ny tany: Misy olo-marina atao hoatran\u2019ny hoe nanao ratsy, dia misy indray ratsy fanahy atao hoatran\u2019ny hoe nanao ny tsara. Dia hoy aho: \u201cTsisy dikany koa izany.\u201d", "15": "Nampirisihiko hifalifaly \u00e0ry ny olona, satria tsy misy tsara noho ny hoe mihinana sy misotro dia mifalifaly, et\u1ef3 ambanin\u2019ny masoandro. Izany no tokony hataony rehefa miasa mafy, mandritra ny androm-piainana nomen\u2019Andriamanitra azy et\u1ef3 ambanin\u2019ny masoandro.", "16": "Niezaka tamin\u2019ny foko manontolo aho mba hanam-pahendrena sy handinika an\u2019izay rehetra atao et\u1ef3 ambonin\u2019ny tany. Indraindray aza aho tsy matory andro aman\u2019alina mihitsy.", "17": "Dia nodinihiko ny zavatra rehetra nataon\u2019ilay tena Andriamanitra, ka hitako fa tsy ho azon\u2019ny olombelona izay mitranga et\u1ef3 ambanin\u2019ny masoandro. Na miezaka mafy tahaka\u00a0ny\u00a0inona aza izy, dia tsy ho azony izany. Na dia miteny aza izy hoe manam-pahendrena ka mahalala an\u2019izany, dia tsy tena azony izany." }, "9": { "1": "Izao \u00e0ry no hitako, ka nataoko tao am-poko: Samy eo am-pelatanan\u2019ilay tena Andriamanitra ny olo-marina sy ny hendry ary ny asan\u2019izy ireo. Samy tsy fantatry ny olombelona na ny fitiavana na ny fankahalana nisy tany aloha tany.", "2": "Mitovy daholo ny hiafaran\u2019ny olon-drehetra, dia ny olo-marina sy ny ratsy fanahy, ny olona tsara toetra sy ny madio ary ny maloto, ary ny manao sorona sy ny tsy manao. Mitovy ihany ny tsara fanahy sy ny mpanota, ary mitovy koa ny maimay hianiana sy izay mitandrina tsara vao mianiana.", "3": "Izao no zavatra mahakivy et\u1ef3 ambanin\u2019ny masoandro: Koa satria mitovy ihany ny hiafaran\u2019ny olona rehetra, dia ny hanao ratsy foana no mibahana ao am-pony. Misy hadalana ao am-pony mandritra ny androm-piainany, dia avy eo izy maty!", "4": "Raha mbola anisan\u2019ny velona ny olona iray dia mbola misy fanantenana, satria aleo alika velona toy izay liona maty.", "5": "Fa fantatry ny velona hoe ho faty izy, fa ny maty kosa tsy mahalala na inona na inona, sady tsy mahazo valisoa intsony, satria hadino daholo izay nahatsiarovana azy.", "6": "Efa foana koa ny fitiavany sy ny fankahalany ary ny fialonany. Tsy mandray anjara amin\u2019izay atao et\u1ef3 ambanin\u2019ny masoandro intsony izy.", "7": "Mandehana, hano amim-pifaliana ny sakafonao, ary sotroy amin\u2019ny fo falifaly ny divainao, satria mahafinaritra an\u2019ilay tena Andriamanitra ny zavatra ataonao.", "8": "Ataovy fotsy foana ny akanjonao, ary asio menaka foana ny lohanao.", "9": "Ankafizo ny fiainanao miaraka amin\u2019ny vady malalanao, mandritra ny fiainana poakaty nomen\u2019Andriamanitra anao et\u1ef3 ambanin\u2019ny masoandro, mandritra ny androm-piainanao, izay tsisy dikany. Izany mantsy no valisoanao eo amin\u2019ny fiainana, sy valisoanao noho ny asa mafy isasaranao et\u1ef3 ambanin\u2019ny masoandro.", "10": "Izay rehetra azonao atao, dia ataovy amin\u2019ny herinao manontolo. Fa tsy misy afaka miasa, na mikasa hanao zavatra, na mahazo fahalalana, na maneho fahendrena, any amin\u2019ny Fasana halehanao.", "11": "Izao koa no hitako et\u1ef3 ambanin\u2019ny masoandro: Tsy hoe maharesy foana izay mahavita mihazakazaka\u00a0be, na mandresy foana izay matanjaka, na manana sakafo foana izay hendry, na manan-karena foana izay marani-tsaina, na tafita foana izay manam-pahalalana. Mety ho tratran\u2019ny sampona mantsy izy rehetra amin\u2019ny fotoana tsy ampoizina.", "12": "Fa tsy fantatry ny olombelona ny fotoana hahafatesany. Toy ny trondro azon\u2019ny harato sy vorona azon\u2019ny fandrika ny zanak\u2019olombelona, satria voafandrika izy amin\u2019ny fotoana itrangan\u2019ny loza, rehefa tratran\u2019ny loza tampoka.", "13": "Izao koa no tena nampiaiky ahy et\u1ef3 ambanin\u2019ny masoandro, momba ny fahendrena:", "14": "Nisy tan\u00e0na kely iray nisy lehilahy vitsivitsy. Dia nisy mpanjaka mahery tonga nanafika an\u2019ilay tan\u00e0na, ka nanodidina azy ary nanorina manda hanaovana fahirano azy.", "15": "Nisy lehilahy mahantra nefa hendry koa tao, ary ny fahendreny no nahavoavonjy an\u2019ilay tan\u00e0na. Tsy mba nisy nahatsiaro an\u2019ilay lehilahy mahantra anefa.", "16": "Dia hoy aho anakampo: \u2018Aleo fahendrena toy izay tanjaka. Atao tsinontsinona anefa ny fahendren\u2019ny mahantra, ary tsy mba raharahiana ny teniny.\u2019", "17": "Aleo manaraka ny teny malefaka lazain\u2019ny hendry, toy izay manaraka ny antsoantson\u2019ny olona manjaka eo amin\u2019ny adala.", "18": "Aleo fahendrena toy izay fitaovam-piadiana. Mpanota iray fotsiny anefa dia mahavita manimba zavatra tsara be dia\u00a0be." }, "10": { "1": "Fatin-dalitra no mahamaimbo sy manimba ny menaky ny mpanao ranomanitra. Hadalana kely koa dia manimba ny laza tsaran\u2019izay malaza ho hendry sy hajain\u2019olona.", "2": "Ny fon\u2019ny hendry mitarika azy hanao ny tsara, fa ny fon\u2019ny adala kosa mitarika azy hanao ratsy.", "3": "Hita amin\u2019izay rehetra ataon\u2019ny adala fa tsy ampy saina izy, sady ataony fantatry ny olona rehetra hoe adala izy.", "4": "Raha misafoaka aminao ny mpitondra, dia aza miala eo amin\u2019ny toeranao. Tsy dia mampisy fahotana lehibe mantsy ny fahatoniana.", "5": "Ity misy zavatra mahakivy hitako et\u1ef3 ambanin\u2019ny masoandro, ary fahadisoana fanaon\u2019ny manam-pahefana ilay izy:", "6": "Ny adala no omena toerana ambony, fa ny olona mahay kosa mitana toerana ambany foana.", "7": "Ny mpanompo indray no hitako mitaingin-tsoavaly, fa ny andriana kosa mandeha an-tongotra toy ny mpanompo.", "8": "Izay mihady lavaka no mety ho latsaka ao, ary izay managorobaka manda vato no mety hokaikerin\u2019ny bibilava.", "9": "Izay mamaky vato no mety haratran\u2019ny vato, ary izay mamaky vatan-kazo no mety hahita loza.", "10": "Raha dombo ny famaky nefa tsy rangitina, dia ho be kokoa ny hery tsy maintsy ampiasaina. Fa hahomby kosa izay manam-pahendrena.", "11": "Raha manaikitra alohan\u2019ny hibaikoana azy ny bibilava, dia tsy misy tombony ho an\u2019ilay olona mahay mibaiko azy.", "12": "Ahazoana fankasitrahana ny teny aloaky ny vavan\u2019ny hendry, fa ny tenin\u2019ny adala kosa mampidi-kizo ny tenany.", "13": "Hadalana ny teny voalohany avoakan\u2019ny vavany, ary hadalana mampidi-doza koa ny teny farany lazainy.", "14": "Miteny foana anefa ny olona adala. Tsy misy olona mahalala an\u2019izay hitranga. Koa iza no afaka milaza aminy an\u2019izay hitranga rehefa maty izy?", "15": "Ny asa mafy ataon\u2019ny tsisy saina no mandreraka azy, satria na ny lalana mankany an-tan\u00e0na aza tsy hitany akory.", "16": "Hahita loza ny tany raha zaza no mpanjakany, ary raha manaram-po misakafo vao\u00a0maraina ny andrianany!", "17": "Sambatra kosa ny tany raha zanaky ny olona ambony ny mpanjakany, ary raha mihinana sy misotro amin\u2019ny fotoana mety ny andrianany mba hahazo hery, fa tsy hoe mba ho mamo.", "18": "Ny hakamoana be\u00a0loatra no mahatonga ny hazo manohana ny tafo hiletsy, ary ny hakamoan\u2019ny tanana no mampitete ny tafo.", "19": "Natao hampifalifaly ny sakafo, ary mahafinaritra er\u1ef3 ny fiainana rehefa misotro divay. Ny vola kosa no ahazoana an\u2019izay rehetra ilaina.", "20": "Aza manozona ny mpanjaka na dia any an-tsainao aza, ary aza manozona ny mpanankarena na dia ao amin\u2019ny efitra fatorianao aza. Fa na ny vorona aza mety hitatitra an\u2019izay nolazainao, ary izay manana elatra mety hitantara an\u2019izay noteneninao." }, "11": { "1": "Atsipazo eny ambony rano ny mofonao, fa ho hitanao indray ilay izy rehefa afaka andro maro.", "2": "Anomezo ho an\u2019olona fito ny fanananao, na ho an\u2019olona valo aza, fa tsy fantatrao izay loza hitranga eto an-tany.", "3": "Rehefa vonton-drano ny rahona, dia handrotsaka orana amin\u2019ny tany. Ary raha mianjera mianatsimo na mianavaratra ny hazo, dia eo amin\u2019izay ianjerany ihany no hisy azy.", "4": "Izay mandinika ny rivotra dia tsy hamafy, ary izay mijery ny rahona tsy hijinja.", "5": "Tsy fantatrao ny fiasan\u2019ny hery mamelona ao amin\u2019ny taolan\u2019ny zaza ao an-kibon\u2019ny vehivavy bevohoka. Hoatr\u2019izany koa fa tsy fantatrao ny asan\u2019ilay tena Andriamanitra izay manao ny zava-drehetra.", "6": "Mamafaza voa amin\u2019ny maraina, ary aza avela haka aina ny tananao mandra-paharivan\u2019ny andro. Fa tsy fantatrao izay ho vanona, na it\u1ef3 na ir\u1ef3, na samy ho vanona izy roa.", "7": "Mahafinaritra ny hazavana, ary tsara ho an\u2019ny maso ny mijery tara-masoandro.", "8": "Raha ela velona ny olona iray, dia aleo izy hankafy an\u2019izany taona rehetra iainany izany. Tokony hotsaroany anefa fa mety ho be dia be koa ny andro manjombona. Tsisy dikany daholo mantsy izay mbola ho avy.", "9": "Mifalia ry tanora dieny mbola tanora ianao, ary ataovy izay mampifalifaly ny fonao amin\u2019ny andro fahatanoranao. Ataovy izay irin\u2019ny fonao sy izay mahafinaritra ny masonao. Fantaro anefa fa hotsarain\u2019ilay tena Andriamanitra ianao amin\u2019izany rehetra izany.", "10": "Koa esory ao am-ponao izay zavatra mampanahy, ary aza avela hikasika ny vatanao izay zavatra mampijaly. Tsisy dikany mantsy ny fahatanorana sy ny tanjaky ny tanora." }, "12": { "1": "Tsarovy \u00e0ry ilay Mpamorona Be\u00a0Voninahitra nanao anao. Tsarovy izy amin\u2019ny andro fahatanoranao, dieny mbola tsy tonga ny andro mampahory sy ireo taona izay hitenenanao hoe: \u201cTsy tiako mihitsy izao fiainako izao!\u201d,", "2": "dieny mbola tsy maizina ny hazavan\u2019ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary dieny mbola tsy mandrahona indray ny andro aorian\u2019ny oram-be mivatravatra.", "3": "Amin\u2019izay fotoana izay dia lasa mangozohozo ireo mpiambina trano, manjoko ireo lehilahy matanjaka, tsy afaka mitoto intsony ny vehivavy satria efa lasa vitsy, ary maizina izay jeren\u2019ny vehivavy mitazana eo am-baravarankely,", "4": "mikatona ny varavarana mankeny an-dalana, tsy heno tsara intsony ny feon\u2019ny vato fikosoham-bary, manaitra amin\u2019ny torimaso na dia ny feom-boronkely fotsiny aza, ary lasa iva kely ny feon\u2019ny vehivavy mpihira rehetra.", "5": "Mampahatahotra koa ny toerana avo, ary misy zavatra mampitebiteby eny an-dalana. Mamony koa ny hazo amandie, miresaresa ny valala rehefa mandeha, ary mamelana ny kapra, satria mandeha ho any amin\u2019ny trano hipetrahany maharitra ny olona, ary mandehandeha eny an-dalana ny olona misaona.", "6": "Koa tsarovy ny Mpamorona anao, dieny mbola tsy tapaka ny tady volafotsy, mbola tsy potika ny vilia baolina volamena, mbola tsy vaky ny siny eny amin\u2019ny loharano, ary mbola tsy potika ny fitaovana fihodinan\u2019ny tady eo amin\u2019ny lavadrano.", "7": "Dia hiverina amin\u2019ny tany toy ny teo aloha ny vovoka, fa ny hery mamelona kosa hiverina amin\u2019ilay tena Andriamanitra izay nanome azy.", "8": "\u201cTena tsisy dikany\u201d, hoy ilay mpamory vahoaka, \u201ctsisy dikany ny zava-drehetra!\u201d", "9": "Lasa hendry ilay mpamory vahoaka, sady mbola nampianariny an\u2019izay fantany foana ny olona. Nisaintsaina sy nanao fikarohana lalina koa izy, mba hahafahany handahatra ohabolana be dia be.", "10": "Niezaka nitady teny mahafinaritra ilay mpamory vahoaka, sady niezaka nanoratra teny marina tsara tsy misy diso.", "11": "Hoatran\u2019ny hazo fanindronana omby ny tenin\u2019ny hendry, ary toy ny fantsika milentika mafy tsara ny teny voafantina lazainy. Avy tamin\u2019ny mpiandry iray ihany izy ireny.", "12": "Ankoatra izany, anaka, dia izao no ampitandremako anao: Tsy ho tapitra ny boky mivoaka, ka mandreraka ny vatana ny mifantoka\u00a0be amin\u2019ireny.", "13": "Izao no famaranan-teny rehefa heno izany rehetra izany: Matahora an\u2019ilay tena Andriamanitra ka ankatoavy ny didiny. Izany mantsy no adidy lehibe indrindra tokony hataon\u2019ny olombelona.", "14": "Fa ilay tena Andriamanitra no hitsara hoe tsara sa ratsy ny zavatra atao rehetra, anisan\u2019izany ny zava-miafina rehetra." }, "meta": { "name": "Mpitoriteny", "order": 20, "chapter_number": 12 } }