UNPKG

mg-bibles

Version:

A package for accessing Bible verses in Malagasy (MG), Diem, King James (KJV), and Louis Segond (APEE) versions

322 lines 174 kB
{ "1": { "1": "Ny boky mirakitra ny tantaran\u2019i Jesosy Kristy, zanak\u2019i Davida, zanak\u2019i Abrahama:", "2": "I Abrahama niteraka an\u2019i Isaka; Isaka niteraka an\u2019i Jakoba; Jakoba niteraka an\u2019i Joda sy ny rahalahiny;", "3": "Joda niteraka an\u2019i Pereza sy Zera tamin\u2019i Tamara; Pereza niteraka an\u2019i Hezrona; Hezrona niteraka an\u2019i Rama;", "4": "Rama niteraka an\u2019i Aminadaba; Aminadaba niteraka an\u2019i Nasona; Nasona niteraka an\u2019i Salmona;", "5": "Salmona niteraka an\u2019i Boaza tamin\u2019i Rahaba; Boaza niteraka an\u2019i Obeda tamin\u2019i Rota; Obeda niteraka an\u2019i Jese;", "6": "Jese niteraka an\u2019i Davida Mpanjaka; Davida niteraka an\u2019i Solomona tamin\u2019ny vadin\u2019i Oria;", "7": "Solomona niteraka an\u2019i Rehoboama; Rehoboama niteraka an\u2019i Abia; Abia niteraka an\u2019i Asa;", "8": "Asa niteraka an\u2019i Josafata; Josafata niteraka an\u2019i Jorama; Jorama niteraka an\u2019i Ozia;", "9": "Ozia niteraka an\u2019i Jotama; Jotama niteraka an\u2019i Ahaza; Ahaza niteraka an\u2019i Hezekia;", "10": "Hezekia niteraka an\u2019i Manase; Manase niteraka an\u2019i Amona; Amona niteraka an\u2019i Josia;", "11": "Josia niteraka an\u2019i Jekonia sy ny rahalahiny, tamin\u2019ny fotoana nandefasana ny Jiosy tany an-tsesitany tany Babylona;", "12": "Jekonia niteraka an\u2019i Sealtiela tany Babylona; Sealtiela niteraka an\u2019i Zerobabela;", "13": "Zerobabela niteraka an\u2019i Abihoda; Abihoda niteraka an\u2019i Eliakima; Eliakima niteraka an\u2019i Azora;", "14": "Azora niteraka an\u2019i Zadoka; Zadoka niteraka an\u2019i Akima; Akima niteraka an\u2019i Elihoda;", "15": "Elihoda niteraka an\u2019i Eleazara; Eleazara niteraka an\u2019i Matana; Matana niteraka an\u2019i Jakoba;", "16": "Jakoba niteraka an\u2019i Josefa vadin\u2019i Maria, ary Maria niteraka an\u2019i Jesosy, izay antsoina hoe Kristy.", "17": "Ny taranaka rehetra nanomboka tamin\u2019i Abrahama ka hatramin\u2019i Davida \u00e0ry, dia nisy 14; ary nanomboka tamin\u2019i Davida ka hatramin\u2019ny fotoana nanaovana sesitany ny Jiosy tany Babylona, dia 14; ary nanomboka tamin\u2019ny nanaovana sesitany azy ireo tany Babylona ka hatramin\u2019i Kristy, dia 14.", "18": "Hoatr\u2019izao no nahaterahan\u2019i Jesosy Kristy: Efa fofombadin\u2019i Josefa i Maria renin\u2019i Jesosy no bevohoka noho ny asan\u2019ny fanahy masina. Mbola tsy niray trano izy roa tamin\u2019izay.", "19": "Olo-marina anefa i Josefa vadiny, sady tsy te hanala baraka azy eo imason\u2019ny olona rehetra, ka saika hisaraka taminy mangingina.", "20": "Rehefa avy nieritreritra tsara an\u2019izany anefa izy, dia nisy anjelin\u2019i Jehovah niseho taminy tao amin\u2019ny nofy, niteny hoe: \u201cRy\u00a0Josefa zanak\u2019i Davida, aza matahotra ny hitondra an\u2019i Maria vadinao ho ao an-tranonao, fa ny asan\u2019ny fanahy masina no nahatonga azy hitoe-jaza.", "21": "Hiteraka zazalahy izy, ary ataovy hoe Jesosy ny anarany, satria izy no hamonjy ny fireneny ho afaka amin\u2019ny fahotan\u2019izy ireo.\u201d", "22": "Nitranga tokoa izany rehetra izany mba ho tanteraka ilay nolazain\u2019i Jehovah tamin\u2019ny alalan\u2019ny mpaminaniny hoe:", "23": "\u201cHisy virjiny ho bevohoka ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hatao hoe Imanoela.\u201d Raha adika izany dia hoe: \u201cManampy Antsika Andriamanitra.\u201d", "24": "Nifoha tamin\u2019ny torimasony i Josefa avy eo, ka nanao an\u2019izay nasain\u2019ilay anjelin\u2019i Jehovah nataony, dia nentiny tany an-tranony ny vadiny.", "25": "Tsy nanao firaisana taminy anefa i Josefa raha tsy efa niteraka an\u2019ilay zaza i Maria. Dia nataony hoe Jesosy ny anarany." }, "2": { "1": "Teraka tao Betlehema any Jodia i Jesosy, tamin\u2019ny andron\u2019i Heroda Mpanjaka. Taoriana kelin\u2019izay, dia nisy mpanandro avy any Atsinanana tonga tao Jerosalema,", "2": "ka nanontany hoe: \u201cAiza izany zaza vao teraka ho mpanjakan\u2019ny Jiosy izany? Nahita ny kintany mantsy izahay, tamin\u2019izahay tany Atsinanana, ka tonga hiankohoka eo anatrehany.\u201d", "3": "Vao naheno an\u2019izany i Heroda Mpanjaka sy ny olona rehetra tao Jerosalema, dia nitebiteby.", "4": "Dia novorin\u2019i Heroda daholo ny lehiben\u2019ny mpisorona sy ny mpanora-dal\u00e0na rehetra teo amin\u2019ny vahoaka, ka nanontaniany hoe aiza ny toerana hahaterahan\u2019i Kristy.", "5": "Dia hoy izy ireo taminy: \u201cAo Betlehema any Jodia. Izao mantsy no nosoratan\u2019ny mpaminany:", "6": "\u2018Ary ianao, ry\u00a0Betlehema ao amin\u2019ny tanin\u2019i Joda, tsy ianao mihitsy no kely indrindra amin\u2019ny tan\u00e0na fehezin\u2019ireo governoran\u2019i Joda, satria avy ao aminao no hivoahan\u2019ilay ho mpitondra sady mpiandry ny Israely vahoakako.\u2019\u201d", "7": "Dia nampanantsoin\u2019i Heroda mangingina ireo mpanandro ireo, ka nanontaniany tsara hoe oviana no niseho ilay kintana.", "8": "Dia nirahiny nankany Betlehema izy ireo, ka noteneniny hoe: \u201cMandehana karohy tsara ilay zaza, ka rehefa hitanareo izy, dia miverena milaza amiko fa mba handeha hiankohoka eo anatrehany koa aho.\u201d", "9": "Dia lasa izy ireo rehefa avy naheno an\u2019izany tenin\u2019ny mpanjaka izany. Ary iny fa nandeha teo alohan\u2019izy ireo ilay kintana efa hitany tany Atsinanana, ka tsy nijanona raha tsy teo ambonin\u2019ilay trano nisy an\u2019ilay zaza.", "10": "Faly be mihitsy izy ireo nahita an\u2019ilay kintana.", "11": "Rehefa niditra tao amin\u2019ilay trano izy ireo, dia nahita an\u2019ilay zaza sy Maria reniny, ka nandohalika sy niankohoka teo anatrehan\u2019ilay zaza. Nosokafan\u2019izy ireo koa ny vata fasiany zava-tsarobidy, dia nomeny volamena sy ditin-kazo manitra ary miora ilay zaza.", "12": "Nampitandreman\u2019Andriamanitra tao amin\u2019ny nofy anefa izy ireo mba tsy hiverina tany amin\u2019i Heroda, ka lalan-kafa no nandehanany nody tany amin\u2019ny taniny.", "13": "Rehefa lasa nody izy ireo, dia nisy anjelin\u2019i Jehovah niseho tamin\u2019i Josefa tao amin\u2019ny nofy, niteny hoe: \u201cMandehana ento mandositra any Ejipta ilay zaza sy ny reniny, dia aza miala any raha tsy efa miteny aminao aho. Efa hikaroka an\u2019ilay zaza mantsy i Heroda fa te hamono azy.\u201d", "14": "Dia nentin\u2019i Josefa tamin\u2019iny alina iny ilay zaza sy ny reniny, ka lasa nankany Ejipta izy ireo.", "15": "Nijanona tany izy mandra-pahafatin\u2019i Heroda. Tanteraka \u00e0ry ilay nasain\u2019i Jehovah nolazain\u2019ny mpaminaniny hoe: \u201cNantsoiko hiala avy tany Ejipta ny zanako.\u201d", "16": "Tezitra be i Heroda rehefa hitany fa voafitak\u2019ireo mpanandro izy. Dia naniraka olona izy hamono ny zazalahikely rehetra tany Betlehema sy ny faritra rehetra manodidina, dia izay roa taona no ho midina, araka izay efa nohadihadiny tsara tamin\u2019ireo mpanandro.", "17": "Tamin\u2019izay no tanteraka ilay nasaina nolazain\u2019i Jeremia mpaminany hoe:", "18": "\u201cNisy feo re tany Rama, dia feon\u2019olona mitomany sy midradradradra mafy. Nitomany an\u2019ireo zanany i Rahely, ka tsy nety nampiononina izy, satria tsy eo intsony izy ireny.\u201d", "19": "Rehefa maty i Heroda, dia nisy anjelin\u2019i Jehovah niseho tamin\u2019i Josefa tao amin\u2019ny nofy, tany Ejipta.", "20": "Hoy ilay anjely: \u201cMandehana ento miverina any amin\u2019ny tanin\u2019ny Israely ilay zaza sy ny reniny, fa efa maty ireo nitady hamono azy.\u201d", "21": "Dia nentiny niverina tany amin\u2019ny tanin\u2019ny Israely ilay zaza sy ny reniny.", "22": "Henon\u2019i Josefa anefa hoe i Arkelaosy no lasa mpanjakan\u2019i Jodia nandimby an\u2019i Heroda rainy, ka natahotra ny ho any Jodia izy. Nampitandreman\u2019Andriamanitra tao amin\u2019ny nofy koa i Josefa, ka lasa nankany amin\u2019ny faritr\u2019i Galilia.", "23": "Dia tonga tao amin\u2019ny tan\u00e0na nantsoina hoe Nazareta izy ka nipetraka tao, mba ho tanteraka izay nasaina nolazain\u2019ny mpaminany hoe: \u201cHantsoina hoe Nazareanina izy.\u201d" }, "3": { "1": "Tat\u1ef3 aoriana, dia tonga nitory tany an-tany efitr\u2019i Jodia i Jaona Mpanao Batisa.", "2": "Hoy izy: \u201cMibebaha fa efa akaiky ny Fanjakan\u2019ny lanitra.\u201d", "3": "Izy, raha ny marina, ilay nolazaina tamin\u2019ny alalan\u2019i Isaia mpaminany hoe: \u201cIzany fa misy miantsoantso any an-tany efitra hoe: \u2018Omano ny lalana halehan\u2019i Jehovah! Ataovy mahitsy ny lalany.\u2019\u201d", "4": "Nanao akanjo volon-drameva sy fehikibo hoditra i Jaona. Valala sy tantelidia no sakafony.", "5": "Dia nivoaka hihaino an\u2019i Jaona ny olona tany Jerosalema sy eran\u2019i Jodia ary ny faritra rehetra manodidina ny Reniranon\u2019i Jordana.", "6": "Nataony batisa tao amin\u2019ny Reniranon\u2019i Jordana izy ireo sady niaiky ny fahotany teo imason\u2019ny olona.", "7": "Nahita Fariseo sy Sadoseo be dia be nankeo amin\u2019ilay toerana nanaovany batisa i Jaona, ka niteny tamin\u2019izy ireo hoe: \u201cRy\u00a0taranaky ny bibilava misy poizina, iza no nampitandrina anareo mba tsy hiharan\u2019ny fahatezerana ho avy?", "8": "Asehoy amin\u2019ny ataonareo \u00e0ry fa mibebaka ianareo.", "9": "Sao mantsy ianareo mieritreritra hoe: \u2018I Abrahama no Rainay.\u2019 Fa lazaiko aminareo fa hain\u2019Andriamanitra ny manova an\u2019iretsy vato iretsy ho lasa zanak\u2019i Abrahama.", "10": "Efa mipetraka eo am-pototry ny hazo sahady ny famaky. Hokapaina \u00e0ry izay hazo tsy mamoa voa tsara, ka hatsipy ao anaty afo.", "11": "Izaho manao batisa anareo amin\u2019ny rano satria mibebaka ianareo. Ilay ho avy ao aorianako anefa mahery noho izaho, ka tsy mendrika hanala ny kapany akory aza aho. Izy no hanao batisa anareo amin\u2019ny fanahy masina sy amin\u2019ny afo.", "12": "Efa eny an-tanany ny fitaovana fikororohana, ka hodioviny tanteraka ny famoloany. Dia hangoniny ao an-trano fitehirizana ny vary, fa ny akofa sy ny mololo kosa hodorany amin\u2019ny afo tsy mety maty.\u201d", "13": "Niala tany Galilia i Jesosy avy eo, ka nankeo amin\u2019i Jaona teo amoron\u2019i Jordana mba hataony batisa.", "14": "Nitady hisakana azy anefa i Jaona ka niteny hoe: \u201cIzaho no tokony hataonao batisa, dia ianao indray ve no mankat\u1ef3 amiko?\u201d", "15": "Hoy i Jesosy taminy: \u201cAtaovy ihany aloha, fa izany no ahafahantsika manatanteraka ny sitrapon\u2019Andriamanitra rehetra.\u201d Dia tsy nisakana azy intsony i Jaona.", "16": "Raha vao vita batisa i Jesosy, dia niakatra avy tao anaty rano. Ary nisokatra ny lanitra, ka hitan\u2019i Jaona nidina toy ny voromailala nankeo ambonin\u2019i Jesosy ny fanahin\u2019Andriamanitra.", "17": "Dia nisy feo koa avy any an-danitra niteny hoe: \u201cIo no Zanako malalako, ilay ankasitrahako.\u201d" }, "4": { "1": "Nentin\u2019ny fanahy masina nankany an-tany efitra i Jesosy avy eo, dia nalain\u2019ny Devoly fanahy.", "2": "Noana izy rehefa avy nifady hanina 40\u00a0andro sy 40\u00a0alina.", "3": "Dia nanatona azy ilay Mpaka fanahy, ka niteny taminy hoe: \u201cRaha zanak\u2019Andriamanitra ianao, dia teneno ireto vato ireto mba ho lasa mofo.\u201d", "4": "Hoy anefa izy: \u201cVoasoratra hoe: \u2018Tsy ny mofo ihany no ilain\u2019ny olona mba hahavelona azy, fa ny teny rehetra lazain\u2019i Jehovah koa.\u2019\u201d", "5": "Nitondra azy nankany amin\u2019ny tan\u00e0na masina ny Devoly avy eo, dia nametraka azy teo an-tampon\u2019ny mandan\u2019ny tempoly.", "6": "Ary hoy izy taminy: \u201cRaha zanak\u2019Andriamanitra ianao, dia mianjer\u00e0 any ambany any, fa voasoratra hoe: \u2018Homeny baiko hanampy anao ny anjeliny\u2019, ary \u2018hitondra anao eny an-tanany izy ireo, mba tsy hidona amin\u2019ny vato ny tongotrao.\u2019\u201d", "7": "Dia hoy i Jesosy taminy: \u201cVoasoratra koa hoe: \u2018Aza mitsapa toetra an\u2019i Jehovah Andriamanitrao.\u2019\u201d", "8": "Nentin\u2019ny Devoly teo amin\u2019ny tendrombohitra avo dia avo indray izy. Dia nasehony azy ny fanjakana rehetra eo amin\u2019izao tontolo izao sy ny voninahitr\u2019ireny fanjakana ireny.", "9": "Ary hoy izy taminy: \u201cHomeko anao daholo ireo rehetra ireo, raha miankohoka indray mandeha eto anatrehako ianao.\u201d", "10": "Hoy anefa i Jesosy: \u201cMandehana ianao, ry\u00a0Satana! Fa voasoratra hoe: \u2018I Jehovah Andriamanitrao no tsy maintsy iankohofanao, ary izy irery ihany no tsy maintsy tompoinao.\u2019\u201d", "11": "Dia nandao azy ny Devoly, ary ireo fa nisy anjely tonga nikarakara azy.", "12": "Rehefa henon\u2019i Jesosy hoe nosamborina i Jaona, dia lasa nankany Galilia izy.", "13": "Niala tany Nazareta izy taorian\u2019izay, dia nipetraka tao Kapernaomy, tan\u00e0na amoron-dranomasina, ao amin\u2019ireo faritra misy an\u2019i Zebolona sy Naftaly.", "14": "Tanteraka \u00e0ry izay nasaina nolazain\u2019i Isaia mpaminany hoe:", "15": "\u201cRy\u00a0Galilia fonenan\u2019ny hafa firenena, tanin\u2019i Zebolona sy tanin\u2019i Naftaly, izay eo amin\u2019ny lalana mankany amin\u2019ny ranomasina sady ampitan\u2019ny Reniranon\u2019i Jordana!", "16": "Nahita hazavana\u00a0be ny olona nipetraka tao amin\u2019ny haizina, ary niposahan\u2019ny hazavana ireo nipetraka tao amin\u2019ny faritra misy aloky ny fahafatesana.\u201d", "17": "Nanomboka tamin\u2019izay i Jesosy no nitory hoe: \u201cMibebaha fa efa akaiky ny Fanjakan\u2019ny lanitra.\u201d", "18": "Nandeha teny amoron\u2019ny Ranomasin\u2019i Galilia izy, indray mandeha, dia nahita mpirahalahy: I Simona izay antsoina hoe Petera, sy Andrea rahalahiny. Nanipy harato tao anaty ranomasina izy roa lahy, satria mpanarato.", "19": "Dia hoy i Jesosy taminy: \u201cAndao hanaraka ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo.\u201d", "20": "Tonga\u00a0dia namela ny haratony izy ireo ka nanaraka azy.", "21": "Mbola nandroso ihany izy dia nahita an\u2019i Jakoba sy Jaona. Mpirahalahy izy ireo, ary zanak\u2019i Zebedio. Tao an-tsambokely niaraka tamin\u2019ny rainy izy roa lahy tamin\u2019izay, nanamboatra ny simba tamin\u2019ny haratony. Dia nantsoin\u2019i Jesosy izy ireo,", "22": "ka tonga\u00a0dia nandao an\u2019ilay sambokely sy ny rainy, ary nanaraka azy.", "23": "Nandeha nanerana an\u2019i Galilia manontolo izy avy eo, ka nampianatra tany amin\u2019ny synagoga, sy nitory ny vaovao tsaran\u2019ilay Fanjakana, ary nanasitrana ny karazan\u2019aretina rehetra tamin\u2019ny vahoaka.", "24": "Ary niely nanerana an\u2019i Syria ny lazany, ka nentin\u2019ny olona teo aminy izay nijalijaly sy nanaintaina mafy noho ny aretina isan-karazany, ary izay nisy demonia sy voan\u2019ny androbe ary nalemy. Dia nositraniny daholo ireny.", "25": "Koa nisy vahoaka be nanaraka azy avy any Galilia sy Dekapolisy sy Jerosalema sy Jodia ary avy any ampitan\u2019i Jordana." }, "5": { "1": "Rehefa nahita ny vahoaka i Jesosy, dia niakatra teo an-tendrombohitra. Ary nanatona azy ny mpianany rehefa tafapetraka izy.", "2": "Dia nanomboka nampianatra azy ireo izy hoe:", "3": "\u201cSambatra izay mahatsapa fa mila an\u2019Andriamanitra, fa azy ny Fanjakan\u2019ny lanitra.", "4": "\u201cSambatra izay malahelo, fa izy no hampiononina.", "5": "\u201cSambatra izay malemy fanahy, fa izy no handova ny tany.", "6": "\u201cSambatra izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa izy no hovokisana.", "7": "\u201cSambatra izay mamindra fo, fa izy no hamindrana fo.", "8": "\u201cSambatra izay madio fo, fa izy no hahita an\u2019Andriamanitra.", "9": "\u201cSambatra ny mpampihavana, fa izy no hantsoina hoe zanak\u2019Andriamanitra.", "10": "\u201cSambatra izay enjehina noho ny fahamarinana, fa azy ny Fanjakan\u2019ny lanitra.", "11": "\u201cSambatra ianareo raha haratsin\u2019ny olona sy enjehiny ary amoronany lainga hoe nanao an\u2019izao zava-dratsy rehetra izao noho ny amiko.", "12": "Mifalia sy miravoravoa, satria lehibe ny valisoanareo any an-danitra. Efa nenjehiny hoatr\u2019izany koa mantsy ny mpaminany talohanareo.", "13": "\u201cIanareo no siran\u2019ny tany. Raha lasa matsatso anefa ny sira, dia ahoana no hamerenana azy ho masira indray? Tsy azo ampiasaina na amin\u2019inona na amin\u2019inona intsony izy, fa hatsipy eny ivelany mba hohitsakitsahin\u2019ny olona.", "14": "\u201cIanareo no fahazavan\u2019izao tontolo izao. Tsy azo afenina ny tan\u00e0na eny an-tampon-tendrombohitra.", "15": "Rehefa mandrehitra jiro ny olona, dia tsy mametraka azy ao ambany sobika fa eo amin\u2019ny fitoeran-jiro, mba hanazava an\u2019izay rehetra ao an-trano.", "16": "Avelao hamirapiratra eo anatrehan\u2019ny olona koa ny hazavanareo, mba ho hitany ny asa tsara ataonareo, ka hanome voninahitra an\u2019ilay Rainareo any an-danitra izy.", "17": "\u201cAza mihevitra hoe tonga hanafoana ny Lal\u00e0na na ny Mpaminany aho. Tsy tonga hanafoana aho, fa hanatanteraka.", "18": "Lazaiko marina aminareo fa na ho levona aza ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho levona mihitsy na ny litera kely indrindra na ny tendron-tsoratra iray amin\u2019ny Lal\u00e0na, raha tsy efa tanteraka izay rehetra voasoratra ao.", "19": "Koa izay mandika ny iray amin\u2019ireo didy kely indrindra ireo sady mampianatra ny olona hanao hoatr\u2019izany koa, dia tsy mendrika hiditra ao amin\u2019ny Fanjakan\u2019ny lanitra. Fa izay mankat\u00f2 sy mampianatra an\u2019ireo didy ireo kosa no mendrika hiditra ao amin\u2019ny Fanjakan\u2019ny lanitra.", "20": "Lazaiko aminareo fa tsy hiditra ao amin\u2019ny Fanjakan\u2019ny lanitra mihitsy ianareo, raha tsy marina kokoa noho ny mpanora-dal\u00e0na sy ny Fariseo.", "21": "\u201cEfa henonareo fa nolazaina tamin\u2019ny olona fahiny hoe: \u2018Aza mamono olona, fa izay mamono olona dia hatao ampamoaka eny amin\u2019ny fitsarana.\u2019", "22": "Izaho anefa milaza aminareo fa izay tezitra foana amin\u2019ny rahalahiny, dia hatao ampamoaka eny amin\u2019ny fitsarana. Ary izay manambany sy manompa ny rahalahiny, dia hatao ampamoaka eny amin\u2019ny Fitsarana Tampony. Ary izay milaza hoe: \u2018Ilay adala tsisy fotony ity!\u2019, dia mendrika ho any amin\u2019ny Gehena mirehitra.", "23": "\u201cRaha mitondra fanomezana mankeny amin\u2019ny alitara \u00e0ry ianao, ka eny ianao no mahatsiaro fa manana alahelo aminao ny rahalahinao,", "24": "dia avelao eo anoloan\u2019ny alitara eo ilay fanomezanao, ary mandehana aloha mihavana amin\u2019ny rahalahinao. Miverena avy eo, dia atolory ilay fanomezanao.", "25": "\u201cMifandam\u00ecna haingana amin\u2019ilay miady aminao any amin\u2019ny fitsarana, dieny mbola eny an-dalana ho any ianareo. Sao mantsy izy hanolotra anao amin\u2019ny mpitsara, dia ny mpitsara indray hanolotra anao amin\u2019ny mpampihatra didim-pitsarana, ka hogadraina ianao.", "26": "Lazaiko marina aminao fa tsy ho tafavoaka any mihitsy ianao, raha tsy efa voaloanao hatramin\u2019ny vola madinika farany tokony haloanao.", "27": "\u201cEfa henonareo fa voalaza hoe: \u2018Aza manitsakitsa-bady.\u2019", "28": "Izaho kosa anefa milaza aminareo fa izay rehetra tsy mitsahatra mijery vehivavy ka maniry hanao firaisana aminy, dia efa nanitsakitsa-bady tao am-pony.", "29": "Raha mahatonga anao hanota \u00e0ry ny masonao ankavanana, dia esory ka ario lavitra anao. Fa aleo mamoy maso iray, toy izay ny vatanao manontolo no hatsipy any amin\u2019ny Gehena.", "30": "Raha mahatonga anao hanota koa ny tananao havanana, dia tapaho ka ario lavitra anao. Fa aleo mamoy tanana iray, toy izay ny vatanao manontolo no ho lasa any amin\u2019ny Gehena.", "31": "\u201cVoalaza koa hoe: \u2018Izay misaraka amin\u2019ny vadiny, dia tokony hanome azy taratasy fisaraham-panambadiana.\u2019", "32": "Izaho kosa milaza aminareo hoe izay lehilahy misaraka amin\u2019ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, dia mety hahatonga an\u2019ilay vehivavy hanitsakitsa-bady. Ary izay manambady vehivavy nisarahan\u2019ny vadiny, dia manitsakitsa-bady.", "33": "\u201cEfa henonareo koa fa nolazaina tamin\u2019ny olona fahiny hoe: \u2018Aza mianiana nefa avy eo tsy manatanteraka, fa tsy maintsy efainao ny voady nataonao tamin\u2019i Jehovah.\u2019", "34": "Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza mianiana mihitsy, na amin\u2019ny lanitra, satria seza fiandrianan\u2019Andriamanitra izany,", "35": "na amin\u2019ny tany, satria fitoeran-tongony izany, na amin\u2019i Jerosalema, satria tan\u00e0nan\u2019ny Mpanjaka lehibe izany.", "36": "Aza mianiana amin\u2019ny lohanao koa, satria tsy mahavita manova singam-bolo iray ho fotsy na mainty ianao.", "37": "Fa aleo ny teninareo rehefa \u2018Eny\u2019 dia eny, rehefa \u2018Tsia\u2019 dia tsia, fa avy amin\u2019ilay ratsy ny ankoatra an\u2019izany.", "38": "\u201cEfa henonareo fa voalaza hoe: \u2018Maso ho solon\u2019ny maso ary nify ho solon\u2019ny nify.\u2019", "39": "Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza manohitra an\u2019izay manisy ratsy anao, fa na iza na iza manisy tehamaina ny takolakao ankavanana, dia atodiho any aminy koa ny takolakao ilany.", "40": "Raha misy te hitory anao any amin\u2019ny fitsarana mba hahazoany ny akanjonao, dia avelao ho lasany koa ny akanjonao ivelany.", "41": "Ary raha misy manam-pahefana manery anao hitondra entana amin\u2019ny lalana iray kilaometatra, dia mandehana miaraka aminy roa kilaometatra.", "42": "Omeo izay mangataka aminao, ary aza andosirana izay te hindram-bola aminao.", "43": "\u201cEfa henonareo fa voalaza hoe: \u2018Tiavo ny namanao ary ankahalao ny fahavalonao.\u2019", "44": "Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiavo foana ny fahavalonareo, ary mivavaha foana ho an\u2019izay manenjika anareo,", "45": "amin\u2019izay ianareo lasa zanak\u2019ilay Rainareo any an-danitra. Izy mantsy mampiposaka ny masoandrony amin\u2019ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy, ary mandatsaka orana amin\u2019ny marina sy ny tsy marina.", "46": "Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, dia inona no valisoa azonareo? Tsy hoatr\u2019izany koa ve no ataon\u2019ny mpamory hetra?", "47": "Ary raha ny rahalahinareo ihany no arahabainareo, dia inona no mampiavaka an\u2019izany ataonareo izany? Tsy hoatr\u2019izany koa ve no ataon\u2019ny olona eo amin\u2019izao tontolo izao?", "48": "Koa tsy maintsy lavorary ianareo, tahaka ny Rainareo any an-danitra izay lavorary." }, "6": { "1": "\u201cTandremo sao hoe ny mba ho hitan\u2019ny olona fotsiny no antony anaovanareo ny marina eo imasony. Raha izany mantsy, dia tsy hahazo valisoa avy amin\u2019ilay Rainareo any an-danitra ianareo.", "2": "Koa rehefa manome zavatra mba hiantrana ny mahantra ianao, dia aza mitsoka trompetra eo alohanao, toy ny ataon\u2019ny mpihatsaravelatsihy ao amin\u2019ny synagoga sy eny an-dalana mba hideran\u2019ny olona azy. Lazaiko marina aminareo fa efa azony daholo ny valisoany.", "3": "Fa ianao kosa rehefa manome zavatra mba hiantrana ny mahantra, dia aza atao fantatry ny tananao ankavia izay ataon\u2019ny tananao ankavanana,", "4": "mba tsy hisy hahafantatra hoe niantra ny mahantra ianao. Dia hamaly soa anao ilay Rainao izay mijery anao na dia tsy hitanao aza.", "5": "\u201cAry rehefa mivavaka ianareo, dia aza manao hoatran\u2019ny mpihatsaravelatsihy. Tia mivavaka mitsangana ao amin\u2019ny synagoga sy eny an-joron-dalambe mantsy izy ireny, satria te ho hitan\u2019ny olona. Lazaiko marina aminareo fa efa azony daholo ny valisoany.", "6": "Fa ianao kosa rehefa mivavaka, dia midira ao amin\u2019ny efitranonao. Dia hidio ny varavarana, ary avy eo dia mivavaha amin\u2019ilay Rainao tsy hita maso. Dia hamaly soa anao ilay Rainao mahita ny zava-drehetra.", "7": "Rehefa mivavaka ianareo, dia aza mamerimberina zavatra mitovy foana, hoatran\u2019ny ataon\u2019ny olona eo amin\u2019izao tontolo izao. Mihevitra mantsy izy ireo fa rehefa lava be ny vavaka ataony dia hohenoina izy.", "8": "Aza manahaka azy \u00e0ry, fa fantatry ny Rainareo izay ilainareo, na dia mbola tsy mangataka aminy akory aza ianareo.", "9": "\u201cHoatr\u2019izao \u00e0ry lazaina rehefa mivavaka: \u201c\u2018Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao!", "10": "Ho tonga anie ny Fanjakanao! Hatao et\u1ef3 an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra!", "11": "Omeo anay anio izay sakafo sahaza anay anio,", "12": "ary mamel\u00e0 ny helokay, tahaka ny namelanay izay meloka taminay.", "13": "Ary aza avela ho resin\u2019ny fakam-panahy izahay, fa afaho amin\u2019ilay ratsy.\u2019", "14": "\u201cRaha mamela ny heloky ny olona ianareo, dia hamela ny helokareo koa ny Rainareo any an-danitra.", "15": "Fa raha tsy mamela ny heloky ny olona kosa ianareo, dia tsy hamela ny helokareo koa ny Rainareo.", "16": "\u201cRehefa mifady hanina ianareo, dia aza manao hoatran\u2019ny mpihatsaravelatsihy. Fa mody manao maloka endrika be izy, mba ho hitan\u2019ny olona hoe mifady hanina. Lazaiko marina aminareo fa efa azony daholo ny valisoany.", "17": "Fa ianao kosa rehefa mifady hanina, dia hosory menaka ny lohanao ary sasao ny tarehinao,", "18": "amin\u2019izay dia ilay Rainao tsy hita maso irery ihany, fa tsy ny olona, no hahita hoe mifady hanina ianao. Dia hamaly soa anao ilay Rainao mahita ny zava-drehetra.", "19": "\u201cAza manangona harena ho anareo intsony et\u1ef3 an-tany, izay misy bibikely sy harafesina manimba, sady misy mpangalatra mamaky trano sy mangalatra.", "20": "Manang\u00f2na kosa harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misy bibikely na harafesina manimba, sady tsy misy mpangalatra mamaky trano na mangalatra.", "21": "Fa any amin\u2019izay misy ny harenanao, dia ho any koa ny fonao.", "22": "\u201cNy maso no jiron\u2019ny vatana. Raha mifantoka tsara \u00e0ry ny masonao, dia hazava tsara ny tenanao manontolo.", "23": "Fa raha mitsiriritra kosa ny masonao, dia ho maizina ny tenanao manontolo. Ary raha lasa haizina ny hazavana ao anatinao, dia tena ho haizim-pito izany!", "24": "\u201cTsy misy mahavita manompo tompo roa, fa ny iray ho halany ary ny iray ho tiany, na ny iray hifikirany ary ny iray hataony tsinontsinona. Tsy mahavita manompo an\u2019Andriamanitra sy ny Harena ianareo.", "25": "\u201cIzany no antony ilazako aminareo hoe: Aza manahy intsony ny amin\u2019ny ainareo, hoe inona no hohaninareo na hosotroinareo, na manahy momba ny vatanareo, hoe inona no hotafinareo. Tsy sarobidy noho ny sakafo ve ny aina, ary tsy sarobidy noho ny fitafiana ny vatana?", "26": "Jereo tsara ny voro-manidina: Tsy mba mamafy na mijinja na manangona sakafo ao an-trano fitehirizam-bokatra ireny, nefa manome sakafo azy ilay Rainareo any an-danitra. Tsy sarobidy noho ireny ve ianareo?", "27": "Iza aminareo no mahay manalava ny androm-piainany, na dia kely aza, rehefa manahy?", "28": "Nahoana koa ianareo no manahy ny amin\u2019ny fitafiana? Diniho tsara ange ny voninkazo eny an-tsaha\u00a0e! Tsy miasa mafy na manao kofehy ireny,", "29": "nefa lazaiko aminareo fa na i Solomona tao amin\u2019ny voninahiny rehetra aza tsy nitafy hoatran\u2019ny iray amin\u2019ireny.", "30": "Koa raha ny zavamaniry any an-tsaha aza ataon\u2019Andriamanitra mitafy tsara tarehy hoatr\u2019izany, nefa androany ihany ireny no eo, fa rahampitso dia hatsipy any anaty afo, tsy mainka ve ianareo, ry\u00a0kely finoana?", "31": "Koa aza manahy mihitsy ianareo hoe: \u2018Inona no hohaninay?\u2019, na \u2018Inona no hosotroinay?\u2019, na \u2018Inona no hotafinay?\u2019", "32": "Izany rehetra izany mantsy no tena tadiavin\u2019ny olona eo amin\u2019izao tontolo izao. Fa fantatr\u2019ilay Rainareo any an-danitra fa ilainareo izany rehetra izany.", "33": "\u201cKatsaho foana \u00e0ry aloha ilay Fanjakana sy ny fahamarinan\u2019Andriamanitra, dia homena anareo koa izany rehetra izany.", "34": "Koa aza manahy mihitsy ny amin\u2019ny ampitso, fa aleo rahampitso no manahy ny amin\u2019ny rahampitso. Efa ampy ny olana mitranga amin\u2019ny andro tsirairay." }, "7": { "1": "\u201cAza mitsara intsony mba tsy hotsaraina.", "2": "Fa araka izay fitsarana ataonareo no hitsarana anareo, ary araka izay famarana ampiasainareo no hamarana ho anareo.", "3": "Koa maninona ianao no mijery ny sombin-kazo eo amin\u2019ny mason\u2019ny rahalahinao, nefa ny vatan-kazo eo amin\u2019ny masonao aza tsy hitanao?", "4": "Ary ahoana no itenenanao amin\u2019ny rahalahinao hoe: \u2018Aleo hesoriko ny sombin-kazo eo amin\u2019ny masonao\u2019, nefa eo amin\u2019ny masonao aza misy vatan-kazo?", "5": "Ry\u00a0mpihatsaravelatsihy! Esory aloha ny vatan-kazo eo amin\u2019ny masonao, dia ho hitanao tsara hoe ahoana no hanesorana ny sombin-kazo eo amin\u2019ny mason\u2019ny rahalahinao.", "6": "\u201cAza omena ny alika ny zava-masina ary aza atsipy ho an\u2019ny kisoa ny perla any aminareo, sao hohitsakitsahiny dia ianareo indray no hifoterany ka hoviravirainy.", "7": "\u201cMangataha foana, dia homena ianareo. Mitadiava foana, dia hahita ianareo. Dond\u00f2ny foana, dia hovohana ianareo.", "8": "Fa izay mangataka no mahazo, ary izay mitady no mahita, ary izay mandond\u00f2na no hovohana.", "9": "Iza aminareo tokoa moa raha angatahan\u2019ny zanany mofo no hanome azy vato?", "10": "Na raha angatahany trondro no hanome azy bibilava?", "11": "Koa raha ianareo, na dia ratsy fanahy aza, mahalala manome zavatra tsara ho an\u2019ny zanakareo, mainka fa ilay Rainareo any an-danitra! Tena hanome zavatra tsara ho an\u2019izay mangataka aminy izy.", "12": "\u201cIzay rehetra tianareo hataon\u2019ny olona aminareo \u00e0ry, dia mba ataovy aminy koa. Izany, raha ny marina, no lazain\u2019ny Lal\u00e0na sy ny Mpaminany.", "13": "\u201cMidira amin\u2019ny vavahady tery. Fa lehibe ny vavahady ary malalaka ny lalana mankany amin\u2019ny fandringanana, ka be dia be no miditra any.", "14": "Tery kosa ny vavahady ary tery koa ny lalana mankany amin\u2019ny fiainana, ka vitsy no mahita azy.", "15": "\u201cMitandrema amin\u2019ny mpaminany sandoka tonga eo aminareo, fa mitafy hodi-janak\u2019ondry izy ireny nefa ny ao anatiny ao amboadia manaikitra.", "16": "Ny voany no hahafantaranareo tsara an\u2019ireny. Fa angaha misy olona mioty voaloboka na aviavy eny amin\u2019ny tsilo? Tsy misy olona manao an\u2019izany mihitsy.", "17": "Hoatr\u2019izany koa fa ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara, fa ny hazo ratsy rehetra kosa mamoa voa ratsy.", "18": "Tsy mety mamoa voa ratsy ny hazo tsara, ary tsy mety mamoa voa tsara ny hazo ratsy.", "19": "Hokapaina izay hazo rehetra tsy mamoa voa tsara, ka hatsipy any anaty afo.", "20": "Ny zavatra ataon\u2019ireny mpaminany sandoka ireny \u00e0ry no hahafantaranareo azy.", "21": "\u201cTsy izay rehetra milaza amiko hoe: \u2018Tompo\u00a0\u00f4, Tompo\u00a0\u00f4\u2019, no hiditra ao amin\u2019ny Fanjakan\u2019ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon\u2019ny Raiko izay any an-danitra ihany.", "22": "Maro no hilaza amiko amin\u2019izany andro izany hoe: \u2018Tompo\u00a0\u00f4, Tompo\u00a0\u00f4, angaha moa izahay tsy efa naminany tamin\u2019ny anaranao, sady efa namoaka demonia tamin\u2019ny anaranao, ary efa nanao fahagagana be dia be tamin\u2019ny anaranao?\u2019", "23": "Holazaiko tsara aminy anefa amin\u2019izay fotoana izay hoe: \u2018Tsy fantatro mihitsy ianareo! Mial\u00e0 eto amiko ianareo mpandika lal\u00e0na!\u2019", "24": "\u201cKoa izay rehetra maheno an\u2019izany teniko izany ka mankat\u00f2, dia mitovy amin\u2019ny lehilahy malina izay nanorina ny tranony teo ambony vatolampy.", "25": "Avy\u00a0be ny orana ka nisy riaka\u00a0be, sady nifofofofo namely an\u2019ilay trano ny rivotra. Tsy nirodana anefa ilay trano, satria naorina teo ambony vatolampy.", "26": "Fa izay rehetra maheno an\u2019izany teniko izany kosa ka tsy mankat\u00f2, dia mitovy amin\u2019ny lehilahy adala nanorina ny tranony teo ambony fasika.", "27": "Avy\u00a0be ny orana ka nisy riaka\u00a0be, sady nifofofofo namely an\u2019ilay trano ny rivotra. Dia nirodana ilay trano ka rava tanteraka.\u201d", "28": "Rehefa avy niteny an\u2019izany rehetra izany i Jesosy, dia gaga ny vahoaka tamin\u2019ny fomba fampianany.", "29": "Nampianatra azy ireo toy ny olona manana fahefana mantsy izy, fa tsy toy ny mpanora-dal\u00e0na." }, "8": { "1": "Rehefa nidina avy teo amin\u2019ilay tendrombohitra izy, dia nisy vahoaka be nanaraka azy.", "2": "Ary iny nisy lehilahy boka nanatona azy ka niankohoka teo anatrehany, sady niteny hoe: \u201cTompo\u00a0\u00f4, raha mba tianao mantsy ny hanadio ahy, dia ho vitanao izany.\u201d", "3": "Koa nanatsotra ny tanany i Jesosy ka nikasika azy, sady niteny hoe: \u201cTiako izany ka! Madiova ianao.\u201d Tonga\u00a0dia sitrana ny habokany ka nadio izy.", "4": "Hoy i Jesosy avy eo: \u201cTandremo sao miteniteny amin\u2019olona. Fa mandehana miseho any amin\u2019ny mpisorona, dia atolory ny fanomezana nasain\u2019i Mosesy nomena, mba ho hitan\u2019izy ireo fa sitrana ianao.\u201d", "5": "Rehefa niditra tao Kapernaomy i Jesosy, dia nisy manamboninahitra nanatona azy ka niangavy", "6": "hoe: \u201cAzafady, tompoko! Mandamaka ao an-trano ao ny mpanompoko fa malemy. Mijaly be mihitsy izy.\u201d", "7": "Dia hoy izy taminy: \u201cHositraniko izy rehefa tonga any aho.\u201d", "8": "Hoy anefa ilay manamboninahitra: \u201cTsy mendrika ny handray anao ao an-tranoko aho, tompoko, fa mitenena fotsiny dia ho sitrana ny mpanompoko.", "9": "Izaho koa mantsy eo ambany fahefan\u2019olona, sady manana miaramila eo ambany fahefako. Dia raha miteny amin\u2019ny miaramila anankiray aho hoe: \u2018Mandehana!\u2019, dia lasa izy, ary amin\u2019ny anankiray kosa hoe: \u2018Avia!\u2019, dia tonga izy, ary amin\u2019ny mpanompoko hoe: \u2018Ataovy ity!\u2019, dia ataony izany.\u201d", "10": "Ary gaga i Jesosy rehefa naheno an\u2019izany, ka niteny tamin\u2019ireo olona nanaraka azy hoe: \u201cLazaiko marina aminareo fa mbola tsy nahita olona nanana finoana lehibe hoatr\u2019izany aho teo amin\u2019ny Israely.", "11": "Lazaiko aminareo fa be dia be ny olona avy any atsinanana sy ny avy any andrefana no ho tonga haka toerana eo amin\u2019ny latabatra miaraka amin\u2019i Abrahama sy Isaka ary Jakoba ao amin\u2019ny Fanjakan\u2019ny lanitra.", "12": "Fa ny zanak\u2019ilay Fanjakana kosa hatsipy any amin\u2019ny haizina any ivelany. Any izy ireo no hitomany sy hihidy vazana.\u201d", "13": "Dia hoy i Jesosy tamin\u2019ilay manamboninahitra: \u201cMandehana \u00e0ry! Enga anie ho tanteraka izay nangatahinao, satria manam-pinoana ianao!\u201d Dia sitrana tamin\u2019izay ora izay ilay mpanompo.", "14": "Rehefa niditra tao an-tranon\u2019i Petera i Jesosy, dia hitany nandamaka teo am-pandriana ny rafozambavin\u2019i Petera fa nanavy.", "15": "Nokasihin\u2019i Jesosy \u00e0ry ny tanan\u2019ilay ramatoa, dia afaka ny fanaviany. Dia niarina izy ka nikarakara sakafo ho an\u2019i Jesosy.", "16": "Rehefa hariva ny andro, dia be dia be ny olona nisy demonia nentina teo amin\u2019i Jesosy. Niteny fotsiny izy dia nivoaka ny fanahy ratsy. Nositraniny daholo koa izay rehetra narary.", "17": "Tanteraka \u00e0ry izay nasaina nolazain\u2019i Isaia mpaminany hoe: \u201cNaka ny aretinay izy ary nitondra ny fanaintainanay.\u201d", "18": "Rehefa hitan\u2019i Jesosy fa nisy vahoaka nanodidina azy, dia nasainy nankeny ampita ny mpianany.", "19": "Ary nisy mpanora-dal\u00e0na nanatona ka niteny taminy hoe: \u201cMpampianatra\u00a0\u00f4, hanaraka anao aho na aiza na aiza halehanao.\u201d", "20": "Hoy anefa i Jesosy: \u201cManan-davaka hisitrihana ny amboadia, ary manana akany ny voro-manidina, fa ny Zanak\u2019olona kosa tsy mba manana an\u2019izay hametrahany ny lohany.\u201d", "21": "Nisy mpianatra hafa koa niteny taminy hoe: \u201cTompo\u00a0\u00f4, avelao aho aloha handeha handevina ny dadako.\u201d", "22": "Hoy i Jesosy taminy: \u201cManaraha ahy foana, fa avelao ny maty handevina ny maty.\u201d", "23": "Dia niakatra tao an-tsambokely i Jesosy, ary nanaraka azy ny mpianany.", "24": "Ary lasa nisy rivo-mahery teo amin\u2019ilay ranomasina, ka saron\u2019ny onja tsikelikely ilay sambokely. Natory anefa i Jesosy tamin\u2019izay.", "25": "Nankeo aminy \u00e0ry izy ireo ka namoha azy, sady niteny hoe: \u201cTompo\u00a0\u00f4, vonjeo fa ho faty isika!\u201d", "26": "Hoy anefa izy tamin\u2019izy ireo: \u201cNahoana ianareo no saro-tahotra, ry\u00a0kely finoana?\u201d Dia nitsangana izy, ary noteneniny mafy ny rivotra sy ny ranomasina, ka lasa tony\u00a0be ny andro.", "27": "Koa gaga izy ireo ka niteny hoe: \u201cIza marina \u00e0ry izy ity\u00a0e? Fa na ny rivotra sy ny ranomasina aza mankat\u00f2 azy.\u201d", "28": "Rehefa tonga teny ampita tao amin\u2019ny faritra nisy ny Gadareanina izy, dia nifanena tamin\u2019ny lehilahy roa nisy demonia. Nivoaka avy teny am-pasana izy roa lahy ireo, ary faran\u2019izay nahery\u00a0setra ka tsy nisy sahy nandalo tamin\u2019izany lalana izany.", "29": "Dia niantsoantso mafy izy ireo hoe: \u201cFa inona koa no anelingelenanao anay at\u1ef3, ry\u00a0Zanak\u2019Andriamanitra? Tonga at\u1ef3 ve ianao mba hampijaly anay alohan\u2019ny fotoana?\u201d", "30": "Ary nisy kisoa be dia be nandrasana, teny lavidavitra teny.", "31": "Niangavy azy \u00e0ry ireo demonia hoe: \u201cRaha avoakanao izahay, dia mba alefaso ho ao amin\u2019ir\u1ef3 andian-kisoa ir\u1ef3.\u201d", "32": "Ary hoy izy tamin\u2019ireo: \u201cMandehana!\u201d Nivoaka \u00e0ry izy ireo ka lasa niditra tao amin\u2019ireo kisoa ireo. Dia ireny fa nirifatra nankeny amin\u2019ny hantsana ilay andiany manontolo, dia nivarina tany an-dranomasina ka maty an-drano.", "33": "Nandositra nankany an-tan\u00e0na kosa ireo mpiandry kisoa ka notantarainy daholo izay nitranga, anisan\u2019izany ny momba an\u2019ireo lehilahy nisy demonia.", "34": "Dia nivoaka hitsena an\u2019i Jesosy daholo ny iray tan\u00e0na. Rehefa hitan\u2019izy ireo i Jesosy, dia niangaviany hiala tao amin\u2019ilay faritra." }, "9": { "1": "Koa niakatra tao an-tsambokely izy ka nankeny ampita, dia nankao amin\u2019ilay tan\u00e0na nipetrahany.", "2": "Ary iny fa nentin\u2019ny olona teo aminy ny lehilahy iray malemy teo am-pandriana. Rehefa hitan\u2019i Jesosy fa nanam-pinoana izy ireo, dia hoy izy tamin\u2019ilay malemy: \u201cMahereza, anaka! Voavela ny helokao.\u201d", "3": "Dia niteny anakampo ny mpanora-dal\u00e0na sasany hoe: \u201cManevateva an\u2019Andriamanitra ilehity.\u201d", "4": "Fantatr\u2019i Jesosy ny eritreritr\u2019izy ireo, ka hoy izy: \u201cNahoana ianareo no ratsy saina hoatr\u2019izany?", "5": "Fa inona, ohatra, no mora kokoa: Ny miteny hoe: \u2018Voavela ny helokao\u2019, sa hoe: \u2018Mitsang\u00e0na dia mandehana\u2019?", "6": "Mba hahafantaranareo anefa fa manana fahefana hamela heloka eto an-tany ny Zanak\u2019olona...\u201d Dia hoy izy tamin\u2019ilay malemy: \u201cMitsang\u00e0na, batao ny fandriananao, dia mandehana mody.\u201d", "7": "Dia nitsangana ilay lehilahy ka lasa nody.", "8": "Gaga\u00a0be ny vahoaka rehefa nahita an\u2019izany ka nanome voninahitra an\u2019Andriamanitra, izay nanome an\u2019izany fahefana izany ho an\u2019ny olona.", "9": "Rehefa niala teo i Jesosy, dia nahita lehilahy antsoina hoe Matio, nipetraka teo amin\u2019ny birao famorian-ketra. Ary hoy izy taminy: \u201cAndao hanara-dia ahy.\u201d Dia nitsangana i Matio ka nanaraka azy.", "10": "Taorian\u2019izay, rehefa nisakafo tao an-trano izy, dia nisy mpamory hetra sy mpanota be\u00a0dia be tonga nisakafo niaraka tamin\u2019i Jesosy sy ny mpianany.", "11": "Hoy anefa ny Fariseo tamin\u2019ny mpianany, rehefa nahita an\u2019izany: \u201cFa maninona ny mpampianatra anareo no miara-misakafo amin\u2019ny mpamory hetra sy ny mpanota?\u201d", "12": "Henon\u2019i Jesosy izany ka hoy izy: \u201cTsy ny olona salama no mila dokotera, fa ny marary.", "13": "Mandehana \u00e0ry fantaro ny dikan\u2019ny hoe: \u2018Aleoko olona mamindra fo, toy izay olona manao sorona.\u2019 Fa tsy tonga hiantso ny olo-marina aho, fa ny mpanota.\u201d", "14": "Nankeo aminy ny mpianatr\u2019i Jaona avy eo, dia nanontany hoe: \u201cFa maninona izahay sy ny Fariseo no mifady hanina matetika, nefa ny mpianatrao tsy mba mifady?\u201d", "15": "Dia hoy i Jesosy: \u201cTsy misy antony tokony hampalahelo ny naman\u2019ny mpampakatra, raha mbola miaraka aminy eo ny mpampakatra. Indray andro any anefa, dia tsy hiaraka aminy intsony ny mpampakatra, ka amin\u2019izay ry\u00a0zareo vao hifady hanina.", "16": "Tsy misy olona manampina akanjo tonta amin\u2019ny tapa-damba vaovao. Hisintona be mantsy ilay tapa-damba, dia handrirotra an\u2019ilay akanjo ka vao mainka hitatra ny rovitra.", "17": "Ary tsy misy olona manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra efa tonta. Raha izany mantsy, dia ho vaky ilay siny hoditra ka ho raraka ny divay ary ho simba ny siny. Fa atao ao anaty siny hoditra vaovao ny divay vaovao, ka samy tsy simba na ny siny na ny divay.\u201d", "18": "Tamin\u2019izy niteny an\u2019izany, dia nisy mpitantana ny synagoga nanatona ka niankohoka teo anatrehany, sady niteny hoe: \u201cEfa maty angamba izay ny zanako vavy. Andao re ho any aminay\u00a0e, dia ametraho tanana izy mba ho velona!\u201d", "19": "Dia nitsangana i Jesosy, ary nanaraka an\u2019ilay lehilahy izy sy ny mpianany.", "20": "Ary nisy vehivavy nijaly\u00a0be, fa nandeha\u00a0ra nandritra ny 12\u00a0taona. Nanatona an\u2019i Jesosy avy tao aoriana izy, ka nikasika ny mikiramborambo amin\u2019ny morontongotry ny akanjony ivelany.", "21": "Fa hoy izy anakampo: \u201cRaha mikasika ny akanjony ivelany fotsiny aho, dia ho sitrana.\u201d", "22": "Ary nitodika i Jesosy ka nahita azy, dia niteny hoe: \u201cMahereza, anaka! Ny finoanao no nahasitrana anao.\u201d Dia sitrana tamin\u2019izay ora izay ilay vehivavy.", "23": "Rehefa tonga tao an-tranon\u2019ilay mpitantana ny synagoga i Jesosy, dia nahita olona nitsoka sodina sy vahoaka nitabataba,", "24": "ka hoy izy: \u201cMandehana ianareo mivoaka! Tsy maty io ankizivavy io fa matory.\u201d Dia nihomehezan\u2019ireo izy.", "25": "Raha vao tafavoaka ny vahoaka, dia niditra izy ka noraisiny ny tanan\u2019ilay ankizivavy, dia niarina ilay ankizy.", "26": "Ary niely eran\u2019ilay faritra ny resaka momba an\u2019izany.", "27": "Rehefa niala teo i Jesosy, dia nisy jamba roa lahy nanaraka azy sady niantsoantso mafy hoe: \u201cMba iantrao izahay, ry\u00a0Zanak\u2019i Davida\u00a0\u00f4!\u201d", "28": "Nankeo aminy ireo jamba ireo rehefa tafiditra tao an-trano izy, ka nanontanian\u2019i Jesosy hoe: \u201cMino ve ianareo fa mahavita an\u2019izany aho?\u201d Hoy izy ireo: \u201cEny, Tompoko.\u201d", "29": "Dia nokasihiny ny mason\u2019izy ireo, sady hoy izy: \u201cHo tanteraka aminareo anie izany, satria manam-pinoana ianareo!\u201d", "30": "Dia lasa nahita ny mason\u2019izy ireo. Noraran\u2019i Jesosy mafy anefa izy ireo hoe: \u201cTandremo sao misy mahafantatra an\u2019izao!\u201d", "31": "Notantarain\u2019izy ireo eran\u2019ilay faritra anefa ny momba azy, rehefa tafavoaka an\u2019ilay trano izy ireo.", "32": "Rehefa lasa izy ireo, dia iny fa nentin\u2019ny olona ny lehilahy iray moana nisy demonia.", "33": "Dia niteny ilay moana rehefa navoaka ilay demonia. Gaga ny vahoaka ka niteny hoe: \u201cMbola tsy nisy hoatr\u2019izao mihitsy teto amin\u2019ny Israely.\u201d", "34": "Hoy anefa ny Fariseo: \u201cNy lehiben\u2019ny demonia no ahavitany mamoaka demonia.\u201d", "35": "Ary lasa i Jesosy nitety ny tan\u00e0na rehetra, na kely na lehibe, ka nampianatra tany amin\u2019ny synagoga sy nitory ny vaovao tsaran\u2019ilay Fanjakana. Nositraniny koa ny karazan\u2019aretina rehetra.", "36": "Rehefa nahita ny vahoaka izy, dia nangoraka an\u2019ireo, satria hitany fa nampijalina izy ireo sady tsy nisy niraharaha hoatran\u2019ny ondry tsy misy mpiandry.", "37": "Dia hoy izy tamin\u2019ny mpianany: \u201cTena be ny vokatra fa ny mpiasa no vitsy.", "38": "Iangavio \u00e0ry ny Tompon\u2019ny vokatra haniraka mpiasa hijinja ny vokatra.\u201d" }, "10": { "1": "Koa nasainy nankeo aminy ny mpianany 12\u00a0lahy. Dia nomeny fahefana izy ireo mba hamoaka fanahy maloto sy hanasitrana ny karazan\u2019aretina rehetra.", "2": "Ireto avy ny anaran\u2019ny apostoly 12: Voalohany, i Simona, antsoina koa hoe Petera, sy Andrea rahalahiny; Jakoba zanak\u2019i Zebedio sy Jaona rahalahiny;", "3": "Filipo sy Bartolomeo; Tomasy sy Matio mpamory hetra; Jakoba zanak\u2019i Alfeo, sy Tadeo;", "4": "Simona Kananeanina; ary Jodasy Iskariota, ilay namadika an\u2019i Jesosy tat\u1ef3 aoriana.", "5": "Nirahin\u2019i Jesosy izy 12\u00a0lahy, ka nomeny toromarika hoe: \u201cAza mankany amin\u2019ny firenen-kafa, ary aza miditra ao amin\u2019ny tan\u00e0nan\u2019ny Samaritanina mihitsy.", "6": "Any amin\u2019ny ondry very eo amin\u2019ny taranak\u2019Israely ihany mandeha.", "7": "Rehefa mandeha ianareo, dia izao torina: \u2018Efa manakaiky ny Fanjakan\u2019ny lanitra.\u2019", "8": "Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia. Nahazo maimaim-poana ianareo, ka manomeza maimaim-poana.", "9": "Aza mitondra volamena na volafotsy na varahina ao anaty fehikibo fasianareo vola,", "10": "ary aza mitondra kitapom-batsy any amin\u2019izay halehanareo, na akanjo roa, na kapa na tehina. Mendrika hahazo sakafo mantsy ny mpiasa.", "11": "\u201cAny amin\u2019izay tan\u00e0na lehibe na tan\u00e0na kely hidiranareo, dia tadiavo izay mendrika ao. Dia mijan\u00f2na ao mandra-pialanareo ao.", "12": "Rehefa miditra ao amin\u2019ny trano anankiray ianareo, dia arahabao izay ao.", "13": "Raha mendrika ny olona ao, dia hahazo an\u2019ilay fiadanana irinareo ho azony ry\u00a0zareo! Fa raha tsy mendrika kosa ry\u00a0zareo, dia hiverina aminareo ihany ilay fiadanana nirinareo ho azony.", "14": "Na aiza na aiza misy olona tsy mandray anareo na tsy mihaino ny teninareo, dia ahintsano ny vovoka amin\u2019ny tongotrareo rehefa miala ao amin\u2019ilay trano na ilay tan\u00e0na ianareo.", "15": "Lazaiko marina aminareo fa ho mora kokoa ny hanjo an\u2019i Sodoma sy Gomora amin\u2019ny Andro Fitsarana, noho ny hanjo an\u2019izany tan\u00e0na izany.", "16": "\u201cManiraka anareo aho izao, hoatran\u2019ny maniraka ondry ho eo afovoan\u2019ny amboadia. Asehoy \u00e0ry hoe malina hoatran\u2019ny bibilava ianareo, nefa tsy manan-tsiny hoatran\u2019ny voromailala.", "17": "Mitandrema fa hanolotra anareo any amin\u2019ny fitsarana ny olona, ary hokaravasiny any amin\u2019ny synagoga ianareo.", "18": "Hoentina eo anatrehan\u2019ny governora sy ny mpanjaka ianareo noho ny amiko, mba ho vavolombeloko eo anatrehan\u2019izy ireo sy ireo firenena.", "19": "Rehefa entiny any anefa ianareo, dia aza manahy momba an\u2019izay holazainareo na ny fomba hilazanareo azy, fa amin\u2019izay ora izay no hatoro anareo izay tokony holazainareo.", "20": "Tsy hoe ianareo fotsiny mantsy no miteny, fa ny fanahin\u2019ny Rainareo no miteny amin\u2019ny alalanareo.", "21": "Ary hanolotra ny rahalahiny hovonoina ho faty ny olona. Ny ray koa hanolotra ny zanany, ary ny zanaka hanohitra ny ray aman-dreniny ka hampamono azy ho faty.", "22": "Ary ho halan\u2019ny olona rehetra ianareo noho ny anarako. Izay miaritra hatramin\u2019ny farany anefa no hovonjena.", "23": "Rehefa enjehiny ao amin\u2019ny tan\u00e0na iray ianareo, dia mandosira any amin\u2019ny tan\u00e0na hafa. Fa lazaiko marina aminareo fa tsy ho voatetinareo daholo ny tan\u00e0nan\u2019ny Israely, mandra-pahatongan\u2019ny Zanak\u2019olona.", "24": "\u201cTsy ambony noho ny mpampianatra azy ny mpianatra, ary tsy ambony noho ny tompony ny mpanompo.", "25": "Efa ampy raha lasa hoatran\u2019ny mpampianatra azy ilay mpianatra, ary raha lasa hoatran\u2019ny tompony ilay mpanompo. Raha ny tompon-trano aza antsoin\u2019ny olona hoe Belzeboba, mainka moa fa ny ankohonan\u2019ilay tompon-trano?", "26": "Aza matahotra an\u2019ireny \u00e0ry, fa tsy misy zavatra afenina ka hoe tsy haseho, ary tsy misy zava-miafina ka hoe tsy ho fantatra.", "27": "Izay lazaiko aminareo ao amin\u2019ny maizina dia teneno ao amin\u2019ny mazava, ary izay bitsibitsihina aminareo dia torio eny an-tampon-trano.", "28": "Ary aza matahotra an\u2019izay mahavita mamono anareo ho faty, nefa tsy mahasakana anareo tsy hahazo ny fiainana. Matahora kosa an\u2019ilay mahavita mandringana anareo ao amin\u2019ny Gehena.", "29": "Vola madinika kely anankiray no