UNPKG

mg-bibles

Version:

A package for accessing Bible verses in Malagasy (MG), Diem, King James (KJV), and Louis Segond (APEE) versions

71 lines (70 loc) 13.9 kB
{ "1": { "1": "Fanambarana: Izao no tenin\u2019i Jehovah nampitain\u2019i Malakia ho an\u2019ny Israely:", "2": "\u201cEfa nasehoko anareo hoe tiako ianareo\u201d, hoy i Jehovah. Hoy anefa ianareo: \u201cInona no porofo fa tia anay ianao?\u201d Dia hoy i Jehovah: \u201cAngaha moa tsy rahalahin\u2019i Jakoba i Esao? I Jakoba anefa no tiako,", "3": "fa i Esao kosa halako, ka nataoko tsy misy mponina ny tendrombohiny. Navelako ho lasa fonenan\u2019ny alikadia any an-tany efitra koa ny lovany.\u201d", "4": "\u201cMiteny i Edoma hoe: \u2018Nopotipotehina izahay, nefa hiverina ka hanorina an\u2019ireo tan\u00e0na rava.\u2019 Hoy anefa i Jehovah Tompon\u2019ny tafika: \u2018Izy ireo hanorina, fa izaho kosa handrava. Dia hantsoina hoe \u201ctanin\u2019ny faharatsiana\u201d sy \u201cvahoaka nomelohin\u2019i Jehovah mandrakizay\u201d izy ireo.", "5": "Hahita maso an\u2019izany ianareo ka hilaza hoe: \u201cHankalazaina anie i Jehovah, eran\u2019ny faritry ny Israely!\u201d\u2019\u201d", "6": "\u201c\u2018Manaja ny rainy ny zanaka, ary manaja ny tompony ny mpanompo\u2019, hoy i Jehovah Tompon\u2019ny tafika. \u2018Koa raha izaho no rainareo\u2019, ry\u00a0mpisorona manao tsinontsinona ny anarako, \u2018dia aiza izay fanajana ahy? Ary raha izaho no tomponareo, aiza izay fahatahorana ahy?\u2019 \u201c\u2018Hoy anefa ianareo: \u201cFa inona no nataonay no hoe naniratsira ny anaranao izahay?\u201d\u2019", "7": "\u201c\u2018Sakafo voaloto no atolotrareo eo amin\u2019ny alitarako.\u2019 \u201c\u2018Dia hoy ianareo: \u201cFa inona no nataonay no hoe nandoto anao izahay?\u201d\u2019 \u201c\u2018Satria ianareo miteny hoe: \u201cTsisy ilana azy ny latabatr\u2019i Jehovah!\u201d", "8": "Rehefa manao sorona biby jamba koa ianareo, dia miteny hoe: \u201cTsy misy maha ratsy an\u2019izany!\u201d Ary rehefa manolotra biby kilemaina na marary ianareo, dia miteny hoe: \u201cTsy misy maha ratsy an\u2019izany!\u201d\u2019\u201d \u201cMba andramo aterina any amin\u2019ny governoranao ange ireny\u00a0e! Dia ho faly aminao ve izy na handray tsara anao?\u201d, hoy i Jehovah Tompon\u2019ny tafika.", "9": "\u201cMitalahoa re amin\u2019Andriamanitra\u00a0e! Amin\u2019izay mba hiantra izy. Handray tsara anareo ve Izy raha izany no fanatitra atolotrareo?\u201d, hoy i Jehovah Tompon\u2019ny tafika.", "10": "\u201cIza aminareo no mba vonona hanidy varavarana? Na dia ny mandrehitra afo eo amin\u2019ny alitarako aza tsy ataonareo maimaim-poana. Tsy mankasitraka anareo mihitsy aho\u201d, hoy i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, \u201cary tsy misy mahafaly ahy mihitsy ny fanomezana avy aminareo.\u201d", "11": "\u201cHo be\u00a0voninahitra eo amin\u2019ireo firenena ny anarako, hatrany amin\u2019ny fiposahan\u2019ny masoandro ka hatrany amin\u2019ny filentehany. Eny rehetra eny, dia hisy hanao sorona hatao midona-tsetroka, ary hisy hanao fanatitra, ho fanomezam-boninahitra ny anarako. Ho fanomezana madio izany. Ho be\u00a0voninahitra eo amin\u2019ireo firenena mantsy ny anarako\u201d, hoy i Jehovah Tompon\u2019ny tafika.", "12": "\u201cFa ianareo kosa manazimbazimba ny anarako satria milaza hoe: \u2018Voaloto ny latabatr\u2019i Jehovah ary tsisy ilana azy ny fanatitra na ny sakafo eo amboniny.\u2019", "13": "Milaza koa ianareo hoe: \u2018Mandreraka izy izany!\u2019 Dia mianjonanjona ianareo sady manao tsinontsinona an\u2019ilay fanatitra\u201d, hoy i Jehovah Tompon\u2019ny tafika. \u201cBiby nangalarina sy kilemaina ary marary no entinareo. Izany ve no mba omenareo ahy? Dia handray an\u2019izany ve aho?\u201d, hoy i Jehovah.", "14": "\u201cVoaozona izay fetsifetsy fa biby misy tsininy no ataony sorona ho an\u2019i Jehovah rehefa mivoady, nefa izy mba manana biby tsy manan-kilema ihany ao amin\u2019ny andiam-bibiny. Fa Mpanjaka tena miavaka aho, ary hatahoran\u2019ireo firenena sy hohajainy ny anarako\u201d, hoy i Jehovah Tompon\u2019ny tafika." }, "2": { "1": "\u201cHo anareo izao didy izao, ry\u00a0mpisorona.", "2": "Raha tsy mety mihaino anefa ianareo, ka tsy mandray am-po an\u2019izany mba hanomezam-boninahitra ny anarako\u201d, hoy i Jehovah Tompon\u2019 ny tafika, \u201cdia hozoniko ianareo, ary hovako ho ozona ny tsodrano omenareo. Efa novako ho ozona mihitsy aza ny tsodrano omenareo, satria tsy mandray am-po an\u2019izany ianareo.\u201d", "3": "\u201cHopotehiko ny voa nafafinareo, noho izay nataonareo. Hafafiko eny amin\u2019ny tarehinareo ny tain\u2019ny biby atao sorona amin\u2019ny fetinareo, ary hatsipy eny ianareo.", "4": "Dia ho fantatrareo fa izaho no nanome anareo an\u2019izao didy izao, mba haharitra foana ny fifanekena nataoko tamin\u2019i Levy\u201d, hoy i Jehovah Tompon\u2019ny tafika.", "5": "\u201cNanao fifanekena taminy aho hoe hanome azy fiainana sy fiadanana, mba hatahorany ahy. Dia nomeko azy izany. Natahotra ahy izy, ary tena nohajainy ny anarako.", "6": "Teo am-bavany ny lal\u00e0n\u2019ny fahamarinana, ary tsy mba niteny zava-dratsy mihitsy izy. Nifandray tsara tamiko izy sady nanao izay mahitsy teo anatrehako, ary nanampy olona maro tsy hanao ratsy intsony.", "7": "Fa tokony hampita fahalalana amin\u2019ny olona ny mpisorona, ary tokony hanatona azy ny olona rehefa manontany momba ny lal\u00e0na. Izy mantsy no mpitondra hafatr\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika.", "8": "\u201cNiala tamin\u2019ny lala-mahitsy anefa ianareo, ary noho ny nataonareo dia olona maro no tsy nanaraka ny lal\u00e0na. Nivadika tamin\u2019ny fifanekena natao tamin\u2019i Levy koa ianareo\u201d, hoy i Jehovah Tompon\u2019ny tafika.", "9": "\u201cDia hataoko izay hankahalan\u2019ny olona rehetra anareo sy hanambaniany anareo. Tsy nanaraka ny lalana natoroko mantsy ianareo, fa niangatra rehefa nampihatra ny lal\u00e0na.\u201d", "10": "\u201cTsy anankiray ihany ve ny raintsika rehetra? Ary tsy Andriamanitra iray ihany ve no namorona antsika? Koa nahoana isika samy isika no mivadika, ka manazimbazimba ny fifanekena nataon\u2019ny razantsika?", "11": "Efa nivadika ny mponin\u2019i Joda, ary zavatra maharikoriko no atao eo amin\u2019ny Israely sy eto Jerosalema. Fa nanazimbazimba ny fahamasinan\u2019i Jehovah ny mponin\u2019i Joda, nefa Andriamanitra tia fahamasinana izy. Zanakavavin\u2019ny andriamani-kafa koa no nalain\u2019izy ireo ho vady.", "12": "Haringan\u2019i Jehovah tsy hisy ao amin\u2019ny tranolain\u2019i Jakoba intsony izay manao an\u2019izany, na iza izy na iza, na dia manolotra fanatitra atao fanomezana ho an\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika aza izy.\u201d", "13": "\u201cAry misy zavatra hafa koa ataonareo, ka lasa rakotra ranomaso sy tomany ary fisentoana ny alitaran\u2019i Jehovah. Koa tsy raharahiany intsony ny fanatitra ataonareo fanomezana, ary tsy misy ankasitrahany izay atolotrareo.", "14": "Hoy ianareo: \u2018Fa maninona?\u2019 Satria i Jehovah no mijoro ho vavolombelona miampanga anao eo anatrehan\u2019ny vadin\u2019ny fahatanoranao. Nivadika tamin\u2019ny vadinao mantsy ianao, na dia namanao sady vady vita fifanekena taminao aza izy.", "15": "Nisy iray tsy mba nanao hoatr\u2019izany anefa, satria mbola nanana ny fanahy masin\u2019Andriamanitra ihany izy. Fa inona no zava-dehibe tamin\u2019io iray io? Ny taranak\u2019Andriamanitra. Tandremo \u00e0ry ny toe-tsainareo, ary aza mivadika amin\u2019ny vadin\u2019ny fahatanoranareo.", "16": "Fa halako ny fisaraham-panambadiana\u201d, hoy i Jehovah Andriamanitry ny Israely. \u201cHalako koa ny olona mahery setra\u201d, hoy i Jehovah Tompon\u2019ny tafika. \u201cTandremo \u00e0ry ny toe-tsainareo, ary aza mivadika.", "17": "\u201cMandreraka an\u2019i Jehovah ianareo amin\u2019ny teninareo. Hoy anefa ianareo: \u2018Fa nandreraka azy ahoana koa izahay?\u2019 Satria ianareo miteny hoe: \u2018Izay rehetra manao ratsy dia tsara eo imason\u2019i Jehovah, sady mahafinaritra azy.\u2019 Na koa hoe: \u2018Aiza izao ilay Andriamanitra tia rariny?\u2019\u201d" }, "3": { "1": "\u201cHalefako ilay olona irahiko, dia hanomana ny lalana halehako izy. Ary ho avy tampoka ao amin\u2019ny tempoliny ilay tena Tompo tadiavinareo. Ho avy koa ilay iraky ny fifanekena izay mahafinaritra anareo. Ho avy tokoa izy\u201d, hoy i Jehovah Tompon\u2019ny tafika.", "2": "\u201cIza anefa no hahatanty ny andro hiaviany, ary iza no hahavita hijoro rehefa miseho izy? Fa ho toy ny afon\u2019ny mpandrendrika metaly izy sady ho toy ny savonin\u2019ny mpanasa lamba.", "3": "Ary hipetraka hoatran\u2019ny mpandrendrika sy mpanadio volafotsy izy, dia hodioviny ny taranak\u2019i Levy. Hodioviny hoatran\u2019ny manadio volamena sy volafotsy izy ireo. Ho lasa olo-marina manolotra fanatitra atao fanomezana izy ireo, amin\u2019i Jehovah.", "4": "Dia hahafaly an\u2019i Jehovah ilay fanatitra homen\u2019i Joda sy Jerosalema, hoatran\u2019ny tamin\u2019ny andro fahiny sy tamin\u2019ireo taona taloha ela\u00a0be.", "5": "\u201cHo avy hitsara anareo aho, ka ho avy haingana hijoro ho vavolombelona hiampanga ny mpilalao\u00a0ody, ny mpanitsakitsa-bady, ny olona mianiana lainga, ny mpanambaka an\u2019izay mpiasa karamainy, ny mpanambaka mpitondratena sy kamboty ray, ary izay tsy mety manampy ny hafa firenena. Tsy matahotra ahy ireny\u201d, hoy i Jehovah Tompon\u2019ny tafika.", "6": "\u201cFa izaho no Jehovah ary tsy miova aho. Taranak\u2019i Jakoba ianareo, ka tsy ho ripaka.", "7": "Efa hatramin\u2019ny andron\u2019ny razambenareo ianareo no niala tamin\u2019ny fitsipiko sy tsy nanaraka an\u2019izany. Miverena amiko dia hiverina aminareo aho\u201d, hoy i Jehovah Tompon\u2019ny tafika. Hoy anefa ianareo: \u201cDia ahoana no hataonay mba hiverenanay aminao?\u201d", "8": "\u201cHahavita handroba an\u2019Andriamanitra ve ny olombelona? Ianareo anefa mandroba ahy.\u201d Dia hoy ianareo: \u201cFa inona no nataonay no hoe nandroba anao izahay?\u201d \u201cTsy nitondra ampahafolon-karena sy fanomezana ianareo.", "9": "Tena voaozona ianareo, satria mandroba ahy. Ny firenenareo manontolo mihitsy no manao an\u2019izany.", "10": "Ento ao an-trano fitehirizana \u00e0ry ny ampahafolon-karena rehetra, mba hisy sakafo ao an-tranoko. Ary tsapao toetra amin\u2019izany ange aho\u00a0e\u201d, hoy i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, \u201cdia ho hitanareo fa hosokafako ho anareo ny vavahadin-dranon\u2019ny lanitra. Dia handrotsaka fitahiana be dia be aminareo aho, mihoatra noho izay ilainareo aza.\u201d", "11": "\u201cAry hoteneniko mafy ny valala mba tsy hanimba ny vokatry ny taninareo. Dia tsy hisy an\u2019izany voaloboka tsy mamoa izany eny amin\u2019ny sahanareo\u201d, hoy i Jehovah Tompon\u2019ny tafika.", "12": "\u201cHolazain\u2019ny firenena rehetra hoe sambatra ianareo, satria ho lasa tany mahafinaritra\u201d, hoy i Jehovah Tompon\u2019ny tafika.", "13": "\u201cHenjana ny teninareo momba ahy\u201d, hoy i Jehovah. Hoy anefa ianareo: \u201cFa inona ny resaka nifanaovanay ka nampalahelo anao?\u201d", "14": "\u201cMiteny ianareo hoe: \u2018Tsy misy dikany ny manompo an\u2019Andriamanitra. Inona izao ny soa mba noraisintsika tamin\u2019isika nanao ny adidintsika taminy, sady nampiseho tamin\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika hoe nalahelo fa nanota?", "15": "Ny olona sahisahy ratsy indray izao no heverintsika hoe sambatra. Ny mpanao ratsy koa no mahomby. Sahy mitsapa toetra an\u2019Andriamanitra izy ireo, nefa dia afa-maina fotsiny.\u2019\u201d", "16": "Tamin\u2019izany andro izany, dia nifampiresaka tamin\u2019ny namany\u00a0avy ireo matahotra an\u2019i Jehovah. Ary nihaino tsara azy ireo foana i Jehovah. Dia nisy boky fahatsiarovana nosoratana teo anatrehany, ho fahatsiarovana an\u2019ireo matahotra an\u2019i Jehovah sy misaintsaina ny anarany.", "17": "\u201cAry ho ahy izy ireo\u201d, hoy i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, \u201camin\u2019ny andro hanaovako azy ireo ho fananako manokana. Hangoraka azy ireo aho, hoatran\u2019ny olona mangoraka ny zanany manompo azy.", "18": "Dia ho hitanareo indray fa tsy mitovy ny olo-marina sy ny ratsy fanahy, ary ny manompo an\u2019Andriamanitra sy ny tsy manompo azy.\u201d" }, "4": { "1": "\u201cHo avy ilay andro mandoro hoatran\u2019ny lafaoro. Amin\u2019izay dia ho lasa hoatran\u2019ny vodivary daholo izay sahisahy ratsy sy mpanao ratsy. Handevona azy ireo ilay andro ho\u00a0avy\u201d, hoy i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, \u201cka tsy hisy hiangana na ny fakany na ny sampany.", "2": "Hiposaka aminareo manome voninahitra ny anarako anefa ny masoandron\u2019ny fahamarinana. Ary hitondra fanasitranana ny taratr\u2019ilay masoandro. Dia hitsambikimbikina hoatran\u2019ny zanak\u2019omby mifahy ianareo.\u201d", "3": "\u201cHanitsakitsaka ny ratsy fanahy ianareo, satria ho toy ny vovoka eo ambany faladianareo ireny, amin\u2019ny andro hanatanterahako an\u2019izany\u201d, hoy i Jehovah Tompon\u2019ny tafika.", "4": "\u201cTsarovy ny Lal\u00e0n\u2019i Mosesy mpanompoko, dia ny fitsipika sy didim-pitsarana nomeko tany Horeba, izay nasaiko nankatoavin\u2019ny Israely rehetra.", "5": "\u201cHirahiko ho any aminareo i Elia mpaminany, alohan\u2019ny hahatongavan\u2019ny andron\u2019i Jehovah, dia ilay andro lehibe sady mampahatahotra.", "6": "Ary hataony hoatran\u2019ny fon\u2019ny zanaka ny fon\u2019ny ray, ary hataony hoatran\u2019ny fon\u2019ny ray ny fon\u2019ny zanaka. Amin\u2019izay aho dia tsy ho avy hamely ny tany ka tsy handravarava azy.\u201d (Faran\u2019ny fandikana ny Soratra Hebreo sy Aramianina. Ny fandikana ny Soratra Grika Kristianina no manaraka azy)" }, "meta": { "name": "Malakia", "order": 38, "chapter_number": 4 } }