UNPKG

mg-bibles

Version:

A package for accessing Bible verses in Malagasy (MG), Diem, King James (KJV), and Louis Segond (APEE) versions

1,207 lines 189 kB
{
    "1": {
        "1": "Betsaka no efa niezaka nanoratra ny tantaran\u2019ny zava-nitranga, izay ekentsika koa hoe tena marina.",
        "2": "Nampita an\u2019ireny tantara ireny tamintsika ireo vavolombelona nahita maso sady mpanompo nanambara ny teny hatrany am-boalohany.",
        "3": "Nanapa-kevitra koa \u00e0ry aho, ry\u00a0Teofilo hajaina, fa hanoratra azy ireny aminao araka ny filaharany, satria efa nohadihadiko tsara hatrany am-piandohana ny zava-drehetra sady efa nohamariniko.",
        "4": "Amin\u2019izay dia ho fantatrao tsara fa azo antoka ny zavatra nampianarina anao.",
        "5": "Tamin\u2019ny andron\u2019i Heroda mpanjakan\u2019i Jodia, dia nisy mpisorona atao hoe Zakaria, tao amin\u2019ny fizarana nisy an\u2019i Abia. Avy amin\u2019ny taranak\u2019i Arona ny vadiny, ary Elizabeta no anarany.",
        "6": "Samy olo-marina teo anatrehan\u2019Andriamanitra izy mivady, sady tsy nisy tsiny. Nankatoavin\u2019izy ireo daholo mantsy ny didin\u2019i Jehovah sy izay notakin\u2019ny lal\u00e0ny.",
        "7": "Tsy nanan-janaka anefa izy ireo satria momba i Elizabeta, ary samy efa antitra izy mivady.",
        "8": "Indray andro, dia nanao ny asan\u2019ny mpisorona teo anatrehan\u2019Andriamanitra i Zakaria, araka ny nanendrena ny fizarana nisy azy.",
        "9": "Anjarany ny nanolotra emboka manitra tamin\u2019izay, rehefa niditra tao amin\u2019ny toerana masin\u2019i Jehovah izy, araka ny efa fanaon\u2019ny mpisorona.",
        "10": "Ary nivavaka teo ivelany ny vahoaka manontolo tamin\u2019ny ora fanolorana emboka manitra.",
        "11": "Dia nisy anjelin\u2019i Jehovah niseho tamin\u2019i Zakaria, ary nitsangana teo ankavanan\u2019ny alitara fandoroana emboka manitra ilay anjely.",
        "12": "Taitra i Zakaria nahita azy, ary natahotra\u00a0be.",
        "13": "Hoy anefa ilay anjely taminy: \u201cAza matahotra, ry\u00a0Zakaria, fa efa nohenoin\u2019Andriamanitra ny fitalahoanao, ka hiteraka zazalahy aminao i Elizabeta vadinao. Ary ataovy hoe Jaona ny anarany.",
        "14": "Ho faly sy ho ravoravo ianao, ary be dia be koa no ho faly rehefa teraka izy,",
        "15": "satria hiavaka eo imason\u2019i Jehovah izy. Tsy mahazo misotro divay na zava-pisotro hafa misy alkaola mihitsy anefa izy. Ary ho feno fanahy masina izy na dia mbola tsy teraka aza.",
        "16": "Ary hampiany hiverina amin\u2019i Jehovah Andriamaniny ny ankamaroan\u2019ny zanak\u2019Israely.",
        "17": "Handeha eo alohany koa izy sady hanana ny toe-tsaina sy ny herin\u2019i Elia, mba hamerenany ny fon\u2019ny ray ho hoatran\u2019ny fon\u2019ny zanaka, ary mba hanampiany an\u2019ireo tsy mankat\u00f2 ho hendry amin\u2019izay ataony hoatran\u2019ny ataon\u2019ny olo-marina. Amin\u2019izay izy dia hanomana vahoaka ho an\u2019i Jehovah.\u201d",
        "18": "Hoy i Zakaria tamin\u2019ilay anjely: \u201cAhoana no ahazoako antoka hoe marina izany? Izaho ange efa antitra\u00a0e! Ary efa tena be\u00a0taona koa ny vadiko.\u201d",
        "19": "Dia hoy ilay anjely: \u201cIzaho no Gabriela, izay mitsangana eo anatrehan\u2019Andriamanitra. Nirahina hiresaka aminao aho sady hilaza an\u2019izany vaovao tsara izany aminao.",
        "20": "Fa noho ianao tsy nino ny teniko, izay ho tanteraka amin\u2019ny fotoana voatondro, dia ho moana ianao ka tsy ho afaka hiteny mandra-pahatanterak\u2019izany.\u201d",
        "21": "Niandry an\u2019i Zakaria ny vahoaka nandritra izany fotoana izany, ka gaga izy ireo satria ela\u00a0be izy tao amin\u2019ny toerana masina.",
        "22": "Rehefa nivoaka izy, dia tsy afaka niresaka tamin\u2019izy ireo. Takatr\u2019izy ireo \u00e0ry fa vao avy nahita fahitana tao amin\u2019ny toerana masina izy. Nanao baiko moana tamin\u2019izy ireo izy satria mbola moana.",
        "23": "Dia nody izy rehefa tapitra ny andro nanaovany fanompoana masina.",
        "24": "Rehefa afaka elaela, dia bevohoka i Elizabeta vadiny, ka tsy nivoaka ny trano nandritra ny dimy volana. Ary hoy izy:",
        "25": "\u201cIzao no nataon\u2019i Jehovah ho ahy: Nitsinjo ahy izy mba tsy ho afa-baraka eo imason\u2019ny olona intsony aho.\u201d",
        "26": "Rehefa nandray enim-bolana ny kibony, dia nirahin\u2019Andriamanitra ny anjely Gabriela ho any amin\u2019ny tan\u00e0na atao hoe Nazareta, any Galilia,",
        "27": "ho any amin\u2019ny virjiny iray efa fofombadin\u2019ny lehilahy atao hoe Josefa, avy amin\u2019ny taranak\u2019i Davida. Maria no anaran\u2019ilay virjiny.",
        "28": "Hoy ilay anjely rehefa nankao aminy: \u201cMiarahaba anao, ry\u00a0ilay ankasitrahana indrindra! Mitahy anao i Jehovah.\u201d",
        "29": "Taitra\u00a0be anefa izy naheno ny teniny, ka niezaka hahazo hoe inona no mety ho dikan\u2019izany fiarahabana izany.",
        "30": "Niteny taminy \u00e0ry ilay anjely hoe: \u201cAza matahotra, ry\u00a0Maria, fa efa nankasitrahan\u2019Andriamanitra ianao.",
        "31": "Ho bevohoka ianao dia hiteraka zazalahy, ary ataovy hoe Jesosy ny anarany.",
        "32": "Hiavaka izy ka hantsoina hoe Zanaky ny Avo Indrindra, ary homen\u2019i Jehovah Andriamanitra azy ny seza fiandrianan\u2019i Davida rainy.",
        "33": "Dia ho Mpanjaka eo amin\u2019ny taranak\u2019i Jakoba mandrakizay izy, ary tsy hifarana mihitsy ny Fanjakany.\u201d",
        "34": "Hoy anefa i Maria tamin\u2019ilay anjely: \u201cAhoana no hetezan\u2019izany, nefa izaho tsy nanao firaisana tamin\u2019ny lehilahy?\u201d",
        "35": "Fa hoy ilay anjely: \u201cHo tonga aminao ny fanahy masina ary hanarona anao ny herin\u2019ny Avo Indrindra. Izany no antony hiantsoana an\u2019ilay haterakao hoe masina, Zanak\u2019Andriamanitra.",
        "36": "Ary efa bevohoka koa i Elizabeta havanao na dia efa antitra aza. Efa mandray enim-bolana izao ny kibony, na dia nantsoina hoe vehivavy momba aza izy.",
        "37": "Tsy hisy tsy ho tanteraka mantsy izay lazain\u2019Andriamanitra.\u201d",
        "38": "Hoy \u00e0ry i Maria: \u201cInt\u1ef3 aho mpanompovavin\u2019i Jehovah! Enga anie ho tanteraka amiko izany, araka izay nolazainao!\u201d Dia nandao azy ilay anjely.",
        "39": "Koa niainga i Maria taoriana kelin\u2019izay, dia nandeha haingana nankany amin\u2019ny faritra be\u00a0tendrombohitra, ho any amin\u2019ny tan\u00e0na iray tany Joda.",
        "40": "Ary niditra tao an-tranon\u2019i Zakaria izy ka niarahaba an\u2019i Elizabeta.",
        "41": "Rehefa naheno an\u2019i Maria niarahaba azy i Elizabeta, dia nibitaka ny zaza tao an-kibony. Ary feno fanahy masina i Elizabeta,",
        "42": "ka niteny mafy hoe: \u201cIanao no tahina amin\u2019ny vehivavy rehetra, ary tahina ilay hateraky ny kibonao!",
        "43": "Fa iza moa aho no mahazo an\u2019izao voninahitra izao, hoe ny renin\u2019ny Tompoko no mamangy ahy?",
        "44": "Jereo fa raha vao henon\u2019ny sofiko ny feonao niarahaba ahy, dia nibitaka ny zaza ato an-kiboko!",
        "45": "Sambatra koa ianao fa nino, satria ho tanteraka daholo izay nasain\u2019i Jehovah nolazaina taminao.\u201d",
        "46": "Dia hoy i Maria: \u201cMankalaza an\u2019i Jehovah aho,",
        "47": "ary tsy tanako ny hafaliako noho izay nataon\u2019Andriamanitra Mpamonjy ahy,",
        "48": "satria nojereny ny mpanompovaviny na dia olona ambany aza. Manomboka izao, dia hilaza ahy ho sambatra ny taranaka rehetra,",
        "49": "satria nanao asa lehibe ho ahy Ilay mahery. Ary masina ny anarany,",
        "50": "sady mamindra fo amin\u2019izay matahotra azy izy, hatramin\u2019ny taranaka fara aman-dimby.",
        "51": "Nanao asa lehibe tamin\u2019ny sandriny mahery izy, ary nanaparitaka an\u2019ireo mpirehareha.",
        "52": "Naetriny hiala tamin\u2019ny seza fiandrianany ny manana fahefana, fa nasandrany kosa ny olona ambany.",
        "53": "Nataony voky zava-tsoa ny noana, fa nalefany nody maina kosa ny manankarena.",
        "54": "Nanampy ny Israely mpanompony izy, satria tsy hadinony mandrakizay fa nampanantena ny hamindra\u00a0fo izy,",
        "55": "araka ny nolazainy tamin\u2019ny razambentsika, dia i Abrahama sy ny taranany.\u201d",
        "56": "Nijanona telo volana teo ho eo tany amin\u2019i Elizabeta i Maria vao nody tany aminy.",
        "57": "Tonga \u00e0ry izao ny fotoana hiterahan\u2019i Elizabeta, ka niteraka zazalahy izy.",
        "58": "Henon\u2019ny mpiara-monina taminy sy ny havany fa tena namindra\u00a0fo\u00a0be taminy i Jehovah, ka niara-nifaly taminy izy ireo.",
        "59": "Tonga hamora an\u2019ilay zaza izy ireo tamin\u2019ny andro fahavalo, ary efa saika hataony hoe Zakaria, hoatran\u2019ny anaran-drainy, ny anarany.",
        "60": "Hoy anefa ny reniny: \u201cTsy hatao an\u2019izany, fa hatao hoe Jaona ny anarany.\u201d",
        "61": "Dia hoy izy ireo taminy: \u201cTsy misy manana an\u2019izany anarana izany ange ny havanao\u00a0e!\u201d",
        "62": "Dia nanao baiko moana tamin\u2019ny rain\u2019ilay zaza izy ireo mba hahalalana hoe iza no tiany hatao anaran\u2019izy io.",
        "63": "Koa nangataka takela-kazo i Zakaria dia nanoratra hoe: \u201cJaona no anarany.\u201d Dia gaga daholo izy rehetra.",
        "64": "Teo no ho eo ihany dia afaka niteny indray i Zakaria, ka nanomboka niresaka sy nidera an\u2019Andriamanitra.",
        "65": "Raiki-tahotra daholo ny mpiara-monina taminy, ary lasa ambentin-dresaky ny olona eran\u2019ilay faritra be\u00a0tendrombohitra tany Jodia izany rehetra izany.",
        "66": "Izay rehetra naheno an\u2019izany dia nieritreritra an\u2019izany tao am-pony, ka nilaza hoe: \u201cHanao ahoana re io zaza io\u00a0e?\u201d Tena nanohana azy mantsy ny tanan\u2019i Jehovah.",
        "67": "Dia feno fanahy masina i Zakaria rainy, ka naminany hoe:",
        "68": "\u201cHoderaina anie i Jehovah, Andriamanitry ny Israely, noho izy nitsinjo sy nanafaka ny vahoakany!",
        "69": "Ary nanangana tandroka famonjena ho antsika tao amin\u2019ny taranak\u2019i Davida mpanompony izy,",
        "70": "araka ny nolazainy tamin\u2019ny\u00a0alalan\u2019ny mpaminany masina taloha ela\u00a0be.",
        "71": "Nilaza izy fa hamonjy antsika amin\u2019ny fahavalontsika sy eo an-tanan\u2019izay rehetra mankahala antsika.",
        "72": "Hamindra fo amin\u2019ny razambentsika izy sady hahatsiaro ny fifanekena masina nataony,",
        "73": "dia ilay fianianana nataony tamin\u2019i Abrahama razambentsika.",
        "74": "Efa nianiana mantsy izy, rehefa avy nanafaka antsika teo an-tanan\u2019ny fahavalontsika, hoe hanome antsika an\u2019ilay voninahitra hanao fanompoana masina ho Azy tsy amin-tahotra,",
        "75": "ka tsy hivadika isika ary hanao ny marina eo anatrehany, mandritra ny androm-piainantsika.",
        "76": "Fa ianao kosa, ry\u00a0zanako, dia hantsoina hoe mpaminanin\u2019ny Avo Indrindra, satria handeha eo alohan\u2019i Jehovah ianao mba hanomana ny lalany,",
        "77": "sy mba hampahafantatra ny vahoakany fa ho voavonjy izy ireo noho ny famelan-keloka",
        "78": "satria tena mangoraka ilay Andriamanitsika. Noho izany fangorahana izany, dia hisy mazava hiposaka ho antsika avy any amin\u2019ny avo,",
        "79": "mba hanome hazavana ho an\u2019izay mipetraka ao amin\u2019ny haizina sy ny aloky ny fahafatesana, ary mba hitarika ny diantsika ho eo amin\u2019ny lalan\u2019ny fiadanana.\u201d",
        "80": "Dia nihalehibe ilay zaza ka nihamatotra, ary nipetraka tany an-tany efitra izy mandra-pahatongan\u2019ny andro nisehoany tamin\u2019ny Israely."
    },
    "2": {
        "1": "Tamin\u2019izany andro izany, dia namoaka didy i Aogosto Kaisara hoe tsy maintsy misoratra anarana daholo ny mponina eran\u2019ilay tany.",
        "2": "I Kyrenio no governoran\u2019i Syria, tamin\u2019ny fotoana nanaovana an\u2019io fanoratana anarana voalohany io.",
        "3": "Dia nankany amin\u2019ny tan\u00e0na niaviany avy ny olona rehetra mba hosoratana anarana.",
        "4": "Koa niakatra avy tany Galilia, avy tao an-tan\u00e0nan\u2019i Nazareta, i Josefa, satria anisan\u2019ny taranak\u2019i Davida sady fianakaviany. Nankany Jodia izy, tany amin\u2019ny tan\u00e0nan\u2019i Davida, izay atao hoe Betlehema.",
        "5": "Nankany izy mba hisoratra anarana miaraka amin\u2019i Maria, izay efa lasa vadiny araka ny efa nifanekeny. Ary bevohoka be efa ho teraka i Maria tamin\u2019izay.",
        "6": "Raha mbola tany izy ireo, dia tonga ny fotoana hiterahany.",
        "7": "Dia niteraka ny zanany lahimatoa izy, ary nofonosiny lamba ilay zaza ka nampatoriny tao amin\u2019ny fihinanam-bilona, satria tsy nisy efitra ho azy ireo intsony tany amin\u2019ny tranom-bahiny.",
        "8": "Nisy mpiandry ondry koa tany amin\u2019io faritra io. Nijanona tany an-tsaha niambina ny andian\u2019ondriny izy ireo, tamin\u2019ny alina.",
        "9": "Tampoka teo, dia nisy anjelin\u2019i Jehovah nitsangana teo anoloan\u2019ireo mpiandry ondry. Nanjelanjelatra nanodidina azy ireo ny voninahitr\u2019i Jehovah, ka natahotra\u00a0be izy ireo.",
        "10": "Hoy anefa ilay anjely: \u201cAza matahotra fa tonga hilaza vaovao tsara aminareo aho, dia vaovao tsara hitondra fifaliana lehibe ho an\u2019ny olona rehetra.",
        "11": "Fa mpamonjy no teraka ho anareo androany ao an-tan\u00e0nan\u2019i Davida, dia i Kristy Tompo.",
        "12": "Ary izao no famantarana ho anareo: Hahita zaza menavava nofonosina lamba sady matory ao anaty fihinanam-bilona ianareo.\u201d",
        "13": "Tampoka teo, dia nisy anjely maro be avy amin\u2019ny tafiky ny lanitra niaraka tamin\u2019ilay anjely, ka nidera an\u2019Andriamanitra hoe:",
        "14": "\u201cVoninahitra ho an\u2019Andriamanitra any amin\u2019ny avo indrindra, ary fiadanana et\u1ef3 ambonin\u2019ny tany ho an\u2019ny olona ankasitrahany!\u201d",
        "15": "Rehefa niala teo ireo anjely ireo ka lasa tany an-danitra, dia hoy ireo mpiandry ondry: \u201cAndao ho any Betlehema hijery an\u2019izany zava-nitranga nampahafantarin\u2019i Jehovah antsika izany!\u201d",
        "16": "Dia lasa haingana izy ireo ka nahita an\u2019i Maria sy Josefa, ary hitany koa ilay zazakely natory tao amin\u2019ny fihinanam-bilona.",
        "17": "Rehefa nahita an\u2019izany izy ireo, dia nitantara an\u2019izay nolazaina tamin\u2019izy ireo momba an\u2019ilay zaza.",
        "18": "Ary gaga\u00a0be izay rehetra naheno an\u2019izay nolazain\u2019ny mpiandry ondry,",
        "19": "fa i Maria kosa nitadidy an\u2019izany teny rehetra izany, ka nandinika lalina tao am-pony hoe inona no mety ho dikan\u2019izany.",
        "20": "Dia lasa niverina ireo mpiandry ondry, ka nanome voninahitra sy nidera an\u2019Andriamanitra noho izay rehetra hitany sy henony, araka ny nolazaina taminy.",
        "21": "Rehefa feno valo andro ilay zaza ka tonga ny fotoana hamorana azy, dia natao hoe Jesosy ny anarany. Izany mantsy no anarana nolazain\u2019ilay anjely talohan\u2019ny nisiany tao am-bohoka.",
        "22": "Rehefa tonga ny fotoana fidiovana araka ny Lal\u00e0n\u2019i Mosesy, dia nentin\u2019i Josefa sy Maria niakatra tany Jerosalema izy mba hatolotra ho an\u2019i Jehovah,",
        "23": "araka ny voasoratra ao amin\u2019ny Lal\u00e0n\u2019i Jehovah hoe: \u201cHo masina ho an\u2019i Jehovah ny lahimatoa rehetra.\u201d",
        "24": "Nanolotra fanatitra araka ny voalazan\u2019ny Lal\u00e0n\u2019i Jehovah koa izy ireo, dia \u201cdomohina roa na zana-boromailala roa.\u201d",
        "25": "Nisy lehilahy atao hoe Simeona tany Jerosalema, ary olo-marina sy mpivavaka be izy. Niandry ny fampiononana ny Israely izy, ary tao aminy ny fanahy masina.",
        "26": "Nahariharin\u2019Andriamanitra taminy koa, tamin\u2019ny alalan\u2019ny fanahy masina, fa tsy ho faty izy raha tsy efa mahita an\u2019ilay Kristin\u2019i Jehovah.",
        "27": "Notarihin\u2019ny fanahy \u00e0ry izy, dia niditra tao amin\u2019ny tempoly. Tamin\u2019izay mihitsy no nitondra an\u2019i Jesosy zazakely tao ny ray aman-dreniny, mba hanao ny fomba mahazatra notakin\u2019ny Lal\u00e0na.",
        "28": "Dia notrotroin\u2019i Simeona ilay zaza ka nidera an\u2019Andriamanitra izy hoe:",
        "29": "\u201cRy Tompo Fara Tampony\u00a0\u00f4, avelanao handeha amim-piadanana amin\u2019izay ny mpanomponao, araka ny efa nolazainao.",
        "30": "Efa hitan\u2019ny masoko mantsy ny fomba hitondranao famonjena,",
        "31": "izay nomaninao teo imason\u2019ny firenena rehetra,",
        "32": "dia hazavana izay hanala ny zavatra manarona ny firenena sady voninahitry ny Israely vahoakanao.\u201d",
        "33": "Ary gaga foana ny rainy sy ny reniny rehefa naheno an\u2019izay nolazaina momba an\u2019ilay zaza.",
        "34": "Dia nitso-drano azy ireo i Simeona, ary hoy izy tamin\u2019i Maria renin\u2019ilay zaza: \u201cIty zaza ity no hahatonga ny olona maro eo amin\u2019ny Israely ho lavo sy ho tafarina indray. Ho famantarana hataon\u2019ny olona tsinontsinona koa izy",
        "35": "\u2014na ianao aza ho toy ny voatrobaky ny sabatra lava lela\u2014mba hiharihary ny eritreritra any am-pon\u2019ny olona maro.\u201d",
        "36": "Ary nisy mpaminanivavy atao hoe Ana, zanakavavin\u2019i Fanoela, avy amin\u2019ny fokon\u2019i Asera. Efa tena be\u00a0taona io vehivavy io. Niara-niaina tamin\u2019ny vadiny nandritra ny fito taona izy, taorian\u2019ny nivadian\u2019izy ireo.",
        "37": "Mpitondratena izy, ary 84\u00a0taona. Tonga tsy tapaka tao amin\u2019ny tempoly izy, nanao fanompoana masina andro aman\u2019alina sady nifady hanina no nitalaho tamim-bavaka.",
        "38": "Ary tamin\u2019izay ora izay indrindra, dia nanatona izy ka nisaotra an\u2019Andriamanitra, sy niresaka momba an\u2019ilay zaza tamin\u2019izay rehetra niandry ny fanafahana an\u2019i Jerosalema.",
        "39": "Rehefa vitan\u2019izy ireo daholo izay rehetra notakin\u2019ny Lal\u00e0n\u2019i Jehovah, dia niverina tany Galilia izy ireo, tao Nazareta tan\u00e0nany.",
        "40": "Ary nihalehibe ilay zaza, ka nihanatanjaka sady nitombo fahendrena, ary nankasitraka azy foana Andriamanitra.",
        "41": "Mpankany Jerosalema isan-taona ny ray aman-dreniny, rehefa fetin\u2019ny Paska.",
        "42": "Ary rehefa 12\u00a0taona izy, dia niakatra tany toy ny fanao amin\u2019ny fety izy ireo.",
        "43": "Nody izy ireo rehefa tapitra ireo andro nanaovana fety. I Jesosy tovolahikely kosa mbola nijanona tany Jerosalema, nefa tsy tsikaritry ny ray aman-dreniny izany.",
        "44": "Noheverin\u2019izy ireo fa niaraka tamin\u2019ireo olona niara-dia taminy izy. Efa nandeha lalana indray andro izy ireo vao nitady azy tany amin\u2019ny havany sy ny olom-pantany.",
        "45": "Tsy nahita azy anefa izy ireo, ka niverina tany Jerosalema ary nitady azy hatraiza hatraiza.",
        "46": "Rehefa afaka telo andro, dia hitany tao amin\u2019ny tempoly izy, nipetraka teo afovoan\u2019ny mpampianatra, ary nihaino sady nanontany.",
        "47": "Talanjona izay rehetra nihaino azy noho ny fahiratan-tsainy sy ny valin-teniny.",
        "48": "Ary gaga ny ray aman-dreniny rehefa nahita azy, ka hoy ny reniny taminy: \u201cFa nahoana izahay, anaka, no ataonao hoatr\u2019izao? Izaho sy ny rainao nipenimpenina nitady anao.\u201d",
        "49": "Hoy anefa izy: \u201cFa maninona no nitady ahy ianareo? Tsy fantatrareo angaha fa tsy maintsy ho ato an-tranon\u2019ny Raiko aho?\u201d",
        "50": "Tsy azon\u2019izy ireo anefa ny tiany holazaina.",
        "51": "Dia niara-nidina tamin\u2019izy ireo izy ka niverina tany Nazareta, ary nankat\u00f2 azy ireo foana. Ary nitahiry tsara an\u2019izany teny rehetra izany tao am-pony ny reniny.",
        "52": "Dia nihanitombo fahendrena i Jesosy sady nihalehibe, ary nihanahazo sitraka tamin\u2019Andriamanitra sy tamin\u2019ny olona."
    },
    "3": {
        "1": "Tamin\u2019ny taona faha-15 nanjakan\u2019i Tiberio Kaisara, ary i Pontio Pilato no governoran\u2019i Jodia, i Heroda no lehibem-paritr\u2019i Galilia, i Filipo rahalahiny no lehibem-paritra tany Itoria sy Trakonitisy, ary i Lysania no lehibem-paritr\u2019i Abilena,",
        "2": "tamin\u2019ny andron\u2019i Anasy lehiben\u2019ny mpisorona sy Kaiafa, dia nampita hafatra tamin\u2019i Jaona zanak\u2019i Zakaria, tany an-tany efitra, Andriamanitra.",
        "3": "Lasa \u00e0ry izy nankany amin\u2019ny faritra rehetra manodidina ny Reniranon\u2019i Jordana. Nitory izy hoe tokony hatao batisa ny olona mba hampisehoana fa efa nibebaka izy ireo, dia ho voavela ny helony,",
        "4": "araka ny voasoratra ao amin\u2019ny boky misy ny tenin\u2019i Isaia mpaminany hoe: \u201cIzany fa misy miantsoantso any an-tany efitra hoe: \u2018Omano ny lalana halehan\u2019i Jehovah! Ataovy mahitsy ny lalany.",
        "5": "Tsy maintsy hototofana ny lohasaha rehetra, ary haletsy daholo ny tendrombohitra sy ny havoana; ny lalana miolakolaka tsy maintsy hahitsy ary ny lalana mikitoantoana hatao mitovy tantana;",
        "6": "ary ny olombelona rehetra hahita ny famonjen\u2019Andriamanitra.\u2019\u201d",
        "7": "Dia hoy izy tamin\u2019ny vahoaka tonga mba hataony batisa: \u201cRy\u00a0taranaky ny bibilava misy poizina, iza no nampitandrina anareo mba tsy hiharan\u2019ny fahatezerana ho\u00a0avy?",
        "8": "Asehoy amin\u2019ny ataonareo \u00e0ry fa mibebaka ianareo. Aza mieritreritra hoe: \u2018I Abrahama no rainay.\u2019 Fa lazaiko aminareo fa hain\u2019Andriamanitra ny manova an\u2019iretsy vato iretsy ho lasa zanak\u2019i Abrahama.",
        "9": "Efa mipetraka eo am-pototry ny hazo sahady tokoa ny famaky. Hokapaina \u00e0ry izay hazo tsy mamoa voa tsara, ka hatsipy ao anaty afo.\u201d",
        "10": "Dia nanontany azy ny vahoaka hoe: \u201cInona \u00e0ry no tokony hataonay?\u201d",
        "11": "Namaly izy hoe: \u201cIzay manana akanjo anankiroa, dia aoka hanome ho an\u2019izay tsy manana, ary izay manan-kohanina, dia aoka hizara ho an\u2019izay tsy manana.\u201d",
        "12": "Ary na ny mpamory hetra aza mba tonga hatao batisa koa, ka niteny taminy hoe: \u201cMpampianatra\u00a0\u00f4, inona no tokony hataonay?\u201d",
        "13": "Dia hoy izy: \u201cAza mitaky hetra mihoatra noho ny tokony ho izy.\u201d",
        "14": "Nisy miaramila koa nanontany azy hoe: \u201cInona no tokony hataonay?\u201d Dia hoy izy: \u201cAza mila sotasota amin\u2019olona na manendrikendrika olona, fa mahaiza mianina amin\u2019izay omena anareo.\u201d",
        "15": "Efa niandriandry ny olona ary samy nieritreritra tao am-pony momba an\u2019i Jaona hoe: \u201cSao dia izy ilay Kristy?\u201d",
        "16": "Hoy anefa ny navalin\u2019i Jaona azy rehetra: \u201cIzaho manao batisa anareo amin\u2019ny rano, fa ho avy kosa ilay mahery noho izaho, ary tsy mendrika hamaha ny tadin-kapany akory aza aho. Izy no hanao batisa anareo amin\u2019ny fanahy masina sy amin\u2019ny afo.",
        "17": "Efa eny an-tanany ny fitaovana fikororohana, mba hanadiovana tanteraka ny famoloany sy hanangonana ny vary ao amin\u2019ny trano fitehirizany. Ny akofa sy ny mololo kosa hodorany amin\u2019ny afo tsy mety maty.\u201d",
        "18": "Nanome torohevitra maro hafa koa izy, sady mbola nitory ny vaovao tsara tamin\u2019ny olona.",
        "19": "Fa nanarin\u2019i Jaona kosa i Heroda lehibem-paritra satria naka an\u2019i Herodiasy vadin\u2019ny rahalahiny sady nanao zava-dratsy be dia be.",
        "20": "Koa nogadrainy i Jaona, ho fanampin\u2019ireo zava-dratsy rehetra efa nataony ireo.",
        "21": "Rehefa vita batisa daholo ny olona rehetra, dia natao batisa koa i Jesosy. Ary nisokatra ny lanitra raha mbola nivavaka izy.",
        "22": "Dia nidina nankeo amboniny ny fanahy masina, izay naka endrika voromailala, ary nisy feo avy any an-danitra niteny hoe: \u201cIanao no Zanako malalako. Ankasitrahako ianao.\u201d",
        "23": "Tokotokony ho 30\u00a0taona i Jesosy tamin\u2019izy nanomboka ny asany, ary izy ilay noheverin\u2019ny olona fa zanak\u2019i Josefa, Josefa zanak\u2019i Hely,",
        "24": "Hely zanak\u2019i Matata, Matata zanak\u2019i Levy, Levy zanak\u2019i Melky, Melky zanak\u2019i Janay, Janay zanak\u2019i Josefa,",
        "25": "Josefa zanak\u2019i Matitia, Matitia zanak\u2019i Amosa, Amosa zanak\u2019i Nahoma, Nahoma zanak\u2019i Esly, Esly zanak\u2019i Nagay,",
        "26": "Nagay zanak\u2019i Mata, Mata zanak\u2019i Matitia, Matitia zanak\u2019i Semey, Semey zanak\u2019i Joseka, Joseka zanak\u2019i Joda,",
        "27": "Joda zanak\u2019i Joanana, Joanana zanak\u2019i Resa, Resa zanak\u2019i Zerobabela, Zerobabela zanak\u2019i Sealtiela, Sealtiela zanak\u2019i Nery,",
        "28": "Nery zanak\u2019i Melky, Melky zanak\u2019i Ady, Ady zanak\u2019i Kosama, Kosama zanak\u2019i Elmadama, Elmadama zanak\u2019i Era,",
        "29": "Era zanak\u2019i Jesosy, Jesosy zanak\u2019i Eliezera, Eliezera zanak\u2019i Joreima, Joreima zanak\u2019i Matata, Matata zanak\u2019i Levy,",
        "30": "Levy zanak\u2019i Simeona, Simeona zanak\u2019i Jodasy, Jodasy zanak\u2019i Josefa, Josefa zanak\u2019i Jonama, Jonama zanak\u2019i Eliakima,",
        "31": "Eliakima zanak\u2019i Melea, Melea zanak\u2019i Mena, Mena zanak\u2019i Matata, Matata zanak\u2019i Natana, Natana zanak\u2019i Davida,",
        "32": "Davida zanak\u2019i Jese, Jese zanak\u2019i Obeda, Obeda zanak\u2019i Boaza, Boaza zanak\u2019i Salmona, Salmona zanak\u2019i Nasona,",
        "33": "Nasona zanak\u2019i Aminadaba, Aminadaba zanak\u2019i Arny, Arny zanak\u2019i Hezrona, Hezrona zanak\u2019i Pereza, Pereza zanak\u2019i Joda,",
        "34": "Joda zanak\u2019i Jakoba, Jakoba zanak\u2019i Isaka, Isaka zanak\u2019i Abrahama, Abrahama zanak\u2019i Tera, Tera zanak\u2019i Nahora,",
        "35": "Nahora zanak\u2019i Seroga, Seroga zanak\u2019i Reo, Reo zanak\u2019i Palega, Palega zanak\u2019i Ebera, Ebera zanak\u2019i Sela,",
        "36": "Sela zanak\u2019i Kenana, Kenana zanak\u2019i Arpaksada, Arpaksada zanak\u2019i Sema, Sema zanak\u2019i Noa, Noa zanak\u2019i Lameka,",
        "37": "Lameka zanak\u2019i Metosela, Metosela zanak\u2019i Enoka, Enoka zanak\u2019i Jareda, Jareda zanak\u2019i Mahalalila, Mahalalila zanak\u2019i Kenana,",
        "38": "Kenana zanak\u2019i Enosa, Enosa zanak\u2019i Seta, Seta zanak\u2019i Adama, Adama zanak\u2019Andriamanitra."
    },
    "4": {
        "1": "Dia niala teo amin\u2019ny Reniranon\u2019i Jordana i Jesosy, sady feno fanahy masina. Ary nentin\u2019ny fanahy masina nankany an-tany efitra izy, ka nivezivezy tany",
        "2": "nandritra ny 40\u00a0andro. Dia naka fanahy azy ny Devoly. Tsy nihinan-kanina izy nandritra an\u2019izany fotoana izany, ka noana rehefa tapitra ireo andro ireo.",
        "3": "Koa niteny taminy ny Devoly hoe: \u201cRaha zanak\u2019Andriamanitra ianao, dia teneno io vato io mba ho lasa mofo.\u201d",
        "4": "Fa hoy ny navalin\u2019i Jesosy azy: \u201cVoasoratra hoe: \u2018Tsy ny mofo ihany no ilain\u2019ny olona mba hahavelona azy.\u2019\u201d",
        "5": "Koa nentin\u2019ny Devoly niakatra teny an-tendrombohitra izy, ka nasehony azy vetivety ny fanjakana rehetra eran-tany.",
        "6": "Dia hoy ny Devoly: \u201cHomeko anao izao fahefana rehetra izao sy ny voninahiny, fa efa natolotra ahy izany ka omeko an\u2019izay tiako homena azy.",
        "7": "Koa raha miankohoka indray mandeha eto anatrehako ianao, dia ho anao daholo izany.\u201d",
        "8": "Fa hoy i Jesosy: \u201cVoasoratra hoe: \u2018I Jehovah Andriamanitrao no tsy maintsy iankohofanao, ary izy irery ihany no tsy maintsy tompoinao.\u2019\u201d",
        "9": "Nitondra azy nankany Jerosalema ny Devoly avy eo, dia nametraka azy teo an-tampon\u2019ny mandan\u2019ny tempoly. Ary hoy izy taminy: \u201cRaha zanak\u2019Andriamanitra ianao, dia mianjer\u00e0 any ambany any,",
        "10": "fa voasoratra hoe: \u2018Homeny baiko hanampy anao ny anjeliny mba hiaro anao\u2019,",
        "11": "ary \u2018hitondra anao eny an-tanany izy ireo, mba tsy hidona amin\u2019ny vato ny tongotrao.\u2019\u201d",
        "12": "Fa hoy ny navalin\u2019i Jesosy: \u201cVoalaza hoe: \u2018Aza mitsapa toetra an\u2019i Jehovah Andriamanitrao.\u2019\u201d",
        "13": "Rehefa avy naka fanahy azy tamin\u2019izany fomba rehetra izany ny Devoly, dia niala teo aminy mandra-pahatongan\u2019ny fotoana hafa mety indray.",
        "14": "Dia niverina tany Galilia i Jesosy, ary feno herin\u2019ny fanahy izy. Ary tsara laza izy ka niely nanerana ny faritra rehetra manodidina ny lazany.",
        "15": "Nampianatra tao amin\u2019ny synagogan\u2019izy ireo izy, ka nomen\u2019ny rehetra voninahitra.",
        "16": "Dia nankany Nazareta, tan\u00e0na nahalehibe azy, izy ary niditra tao amin\u2019ny synagoga hoatran\u2019ny fanaony rehefa andro sabata, ka nitsangana hamaky teny.",
        "17": "Koa natolotra azy ny horonam-bokin\u2019i Isaia mpaminany, ary nosokafany ka notadiaviny izay nisy an\u2019ilay soratra hoe:",
        "18": "\u201cNy fanahin\u2019i Jehovah no ato amiko, satria nanosotra ahy hilaza vaovao tsara amin\u2019ny mahantra izy. Nirahiny aho mba hanambara hoe ho afaka ny babo ary hahiratra ny jamba. Nirahiny koa aho mba hanafaka sy handefa an\u2019ireo ampahorina,",
        "19": "ary mba hitory ny taona fanehoan\u2019i Jehovah fankasitrahana.\u201d",
        "20": "Nahorony ilay horonam-boky avy eo, dia naveriny tamin\u2019ny mpikarakara ary nipetraka izy. Ary nijery tsara azy izay rehetra tao amin\u2019ny synagoga.",
        "21": "Dia hoy izy: \u201cAndroany no tanteraka ilay andinin-teny vao henonareo teo.\u201d",
        "22": "Nidera azy daholo ny rehetra, ary gaga noho ny teny mahafinaritra nolazain\u2019ny vavany, ka hoy izy ireo: \u201cTsy zanak\u2019i Josefa ve io\u00a0e?\u201d",
        "23": "Hoy i Jesosy: \u201cEfa fantatro fa hampiharinareo amiko ilay fitenenana hoe: \u2018Dokotera\u00a0\u00f4, sitrano aloha ny tenanao. Ataovy eto amin\u2019ny faritra niavianao koa ny zavatra henonay hoe nataonao tany Kapernaomy.\u2019\u201d",
        "24": "Dia niteny koa izy hoe: \u201cLazaiko marina aminareo fa ao amin\u2019ny faritra niaviany ihany ny mpaminany no tsy tian\u2019ny olona.",
        "25": "Lazaiko marina aminareo, ohatra, fa be dia be ny vehivavy mpitondratena teo amin\u2019ny Israely tamin\u2019ny andron\u2019i Elia, rehefa nihantona telo taona sy tapany ny orana, ka nisy mosary mafy nanerana an\u2019ilay tany.",
        "26": "Tsy tany amin\u2019ny anankiray tamin\u2019ireny anefa i Elia no nirahina, fa tany amin\u2019ny vehivavy mpitondratena iray tany Zarefata any Sidona ihany.",
        "27": "Nisy boka maro koa teo amin\u2019ny Israely tamin\u2019ny andron\u2019i Elisa mpaminany. Tsy nisy nodiovina anefa izy ireny na iray aza, afa-tsy i Nam\u00e0na Syrianina.\u201d",
        "28": "Tezitra\u00a0be izay rehetra naheno an\u2019izany tao amin\u2019ny synagoga,",
        "29": "ka nitsangana ary nandroaka azy ho any ivelan\u2019ny tan\u00e0na. Ary nentin\u2019izy ireo tany an-tampon\u2019ilay tendrombohitra niorenan\u2019ny tan\u00e0nan\u2019izy ireo izy, mba hazera tany amin\u2019ny tevana.",
        "30": "Namakivaky teo afovoan\u2019izy ireo anefa izy ka lasa.",
        "31": "Dia nidina tany Kapernaomy, tan\u00e0na any Galilia, izy. Ary nampianatra ny olona tamin\u2019ny Sabata izy,",
        "32": "ka gaga ny olona tamin\u2019ny fomba fampianany, satria niteny toy ny olona manana fahefana izy.",
        "33": "Ary nisy lehilahy nipetrahan\u2019ny fanahy maloto, na demonia, tao amin\u2019ny synagoga. Nikiakiaka mafy izy hoe:",
        "34": "\u201cFa inona koa no anelingelenanao anay at\u1ef3, ry\u00a0Jesosy avy any Nazareta? Tonga at\u1ef3 ve ianao mba handringana anay? Fantatro tsara ange fa ianao Ilay Masin\u2019Andriamanitra\u00a0e!\u201d",
        "35": "Niteny mafy azy anefa i Jesosy hoe: \u201cMang\u00ecna, dia mivoaha aminy!\u201d Koa nivoaka ilay demonia rehefa avy nampianjera an\u2019ilay lehilahy teo afovoan\u2019ny olona, nefa tsy nandratra azy.",
        "36": "Dia gaga izy rehetra ka nifampiresaka hoe: \u201cMisy heriny be mihitsy ny teniny! Tena manana fahefana sy hery izy, fa na ny fanahy maloto aza baikoiny fotsiny dia mivoaka!\u201d",
        "37": "Koa niely nanerana ny faritra manodidina ny vaovao momba azy.",
        "38": "Rehefa avy niala tao amin\u2019ny synagoga izy, dia nankao an-tranon\u2019i Simona. Nanavy be ny rafozambavin\u2019i Simona, ka nangataka an\u2019i Jesosy izy ireo mba hanampy azy.",
        "39": "Koa nitsangana teo akaikin\u2019ilay ramatoa izy, ary noteneniny mafy ilay fanaviana dia afaka. Tonga\u00a0dia niarina ilay ramatoa ary nikarakara sakafo ho an\u2019ireo.",
        "40": "Rehefa hilentika ny masoandro, dia nitondra ny marariny tany aminy izay rehetra nanana marary voan\u2019ny aretina samihafa. Nametra-tanana tamin\u2019ny tsirairay tamin\u2019ireny izy, ka nositraniny izy ireny.",
        "41": "Nivoaka koa ny demonia tamin\u2019ny olona maro, ka niantso mafy hoe: \u201cIanao no Zanak\u2019Andriamanitra.\u201d Noteneniny mafy anefa ireny ka tsy navelany hiteniteny, satria fantatr\u2019ireny fa izy no Kristy.",
        "42": "Rehefa maraina ny andro, dia niala teo izy ka nankany amin\u2019ny toerana mitokana. Nikaroka azy anefa ny vahoaka, dia tonga tany amin\u2019izay nisy azy. Ary nitady hitazona azy izy ireo, mba tsy hialany teo aminy.",
        "43": "Hoy anefa izy: \u201cTsy maintsy mitory ny vaovao tsaran\u2019ny Fanjakan\u2019Andriamanitra any amin\u2019ny tan\u00e0na hafa koa aho, fa izany no nanirahana ahy.\u201d",
        "44": "Nanohy nitory tao amin\u2019ireo synagoga tany Jodia \u00e0ry izy."
    },
    "5": {
        "1": "Nijoro teo amoron\u2019ny farihin\u2019i Genesareta i Jesosy indray mandeha, ary nifanesika teo aminy ny vahoaka mba hihaino ny tenin\u2019Andriamanitra.",
        "2": "Ary nahita sambokely roa niantsona teo amoron\u2019ilay farihy izy. Tsy tao amin\u2019ireo sambokely anefa ny mpanarato fa efa lasa nanasa ny haratony.",
        "3": "Koa niakatra tao amin\u2019ny iray tamin\u2019ireo sambokely ireo i Jesosy. An\u2019i Simona ilay izy, ary nangataka taminy izy mba hihataka kely amin\u2019ny morony. Dia nipetraka izy, ary nampianatra ny vahoaka avy tao amin\u2019ilay sambokely.",
        "4": "Rehefa tapitra ny teniny, dia hoy izy tamin\u2019i Simona: \u201cMandrosondrosoa any amin\u2019ny lalina, ary alatsaho ny haratonareo dia hahazo trondro ianareo!\u201d",
        "5": "Hoy anefa i Simona: \u201cMpampianatra\u00a0\u00f4, efa niasa mafy nandritra ny alina izahay, saingy tsy nahazo na inona na inona. Noho ny teninao anefa, dia halatsako ihany ny harato.\u201d",
        "6": "Nahazo trondro be dia be izy ireo rehefa nanao an\u2019izany, ka rovitra mihitsy ny haratony.",
        "7": "Nanao fihetsika \u00e0ry izy ireo hiantsoana ny namany teny amin\u2019ilay sambokely iray mba ho tonga hanampy azy. Dia tonga izy ireo ary nofenoiny ny sambokely roa, ka saika nilentika mihitsy.",
        "8": "Rehefa nahita an\u2019izany i Simona Petera, dia nandohalika teo anoloan\u2019i Jesosy, ka niteny hoe: \u201cTompo\u00a0\u00f4, mandehana fa aza manakaiky ahy fa mpanota aho.\u201d",
        "9": "Gaga\u00a0be mantsy izy sy ireo niaraka taminy satria be dia be ny trondro azony.",
        "10": "Gaga be koa i Jakoba sy Jaona, zanak\u2019i Zebedio, izay niara-niasa tamin\u2019i Simona. Hoy anefa i Jesosy tamin\u2019i Simona: \u201cAza matahotra, fa manomboka izao dia olona velona no ho azonao.\u201d",
        "11": "Koa nentin\u2019izy ireo niverina teny an-tanety ny sambokely ary nilaozany ny zava-drehetra, dia lasa izy ireo nanaraka azy.",
        "12": "Indray mandeha koa, raha mbola tao amin\u2019ny tan\u00e0na anankiray izy, dia io fa nisy lehilahy rakotry ny habokana tao. Niankohoka izy raha vao nahita an\u2019i Jesosy, ka niangavy hoe: \u201cTompo\u00a0\u00f4, raha mba tianao mantsy ny hanadio ahy, dia ho vitanao izany.\u201d",
        "13": "Koa nanatsotra ny tanany i Jesosy ka nikasika azy, sady niteny hoe: \u201cTiako izany\u00a0ka! Madiova ianao.\u201d Tonga\u00a0dia niala tamin\u2019ilay lehilahy ilay habokana.",
        "14": "Dia noraran\u2019i Jesosy ilay lehilahy mba tsy hiteniteny amin\u2019olona. Hoy izy: \u201cFa mandehana miseho any amin\u2019ny mpisorona, ary satria nodiovina ianao dia manaova fanatitra, araka izay nasain\u2019i Mosesy natao, mba ho hitan\u2019izy ireo fa sitrana ianao.\u201d",
        "15": "Na izany aza, dia vao mainka niely ny resaka momba azy, ka nisy vahoaka\u00a0be nivory mba hihaino azy sy hositranina tamin\u2019ny aretiny.",
        "16": "Matetika anefa izy no nankany amin\u2019ny toerana mitokana mba hivavaka.",
        "17": "Indray andro, tamin\u2019izy nampianatra, dia nisy Fariseo sy mpampianatra Lal\u00e0na koa nipetraka teo. Avy any amin\u2019ny tan\u00e0na kely rehetra any Galilia sy Jodia izy ireo ary avy any Jerosalema. Ary nomen\u2019i Jehovah hery hanasitranana i Jesosy.",
        "18": "Ary ireny fa nisy olona nitondra lehilahy iray malemy, nolanjainy teo ambony fandriana. Nitady fomba hampidirana azy sy hametrahana azy teo anoloan\u2019i Jesosy izy ireo.",
        "19": "Tsy nahita fomba hampidirana azy anefa izy ireo satria vahoaka be no tao. Niakatra tany an-tampon-trano \u00e0ry izy ireo, ary nanesorany ilay tafo tanimanga, dia nampidininy teo afovoan\u2019ny olona teo anoloan\u2019i Jesosy ilay lehilahy teo ambony fandriana.",
        "20": "Rehefa hitan\u2019i Jesosy fa nanam-pinoana izy ireo, dia hoy izy tamin\u2019ilay lehilahy: \u201cVoavela ny helokao.\u201d",
        "21": "Koa nifampiresaka ny mpanora-dal\u00e0na sy ny Fariseo hoe: \u201cFa iza moa io no manevateva an\u2019Andriamanitra? Fa angaha moa tsy Andriamanitra ihany no afaka mamela heloka?\u201d",
        "22": "Fantatr\u2019i Jesosy anefa ny tao an-tsain\u2019izy ireo, ka hoy izy: \u201cInona izany eritreretinareo ao am-ponareo izany?",
        "23": "Fa inona no mora kokoa: Ny miteny hoe: \u2018Voavela ny helokao\u2019, sa hoe: \u2018Mitsang\u00e0na dia mandehana\u2019?",
        "24": "Mba hahafantaranareo anefa fa manana fahefana hamela heloka eto an-tany ny Zanak\u2019olona...\u201d Dia hoy izy tamin\u2019ilay lehilahy malemy: \u201cIzao no lazaiko aminao: Mitsang\u00e0na, batao ny fandriananao, ary mandehana mody.\u201d",
        "25": "Dia nitsangana teo anatrehan\u2019izy ireo ilay lehilahy, ka nibata an\u2019ilay fandrianany ary lasa nody, sady nanome voninahitra an\u2019Andriamanitra.",
        "26": "Ary gaga be ny rehetra dia nanome voninahitra an\u2019Andriamanitra. Sady talanjona izy ireo no raiki-tahotra ka niteny hoe: \u201cTena niavaka ny zavatra hitantsika androany!\u201d",
        "27": "Taorian\u2019izay, dia nivoaka izy ka nahita mpamory hetra atao hoe Levy, nipetraka teo amin\u2019ny birao famorian-ketra. Dia hoy izy taminy: \u201cAndao hanara-dia ahy.\u201d",
        "28": "Ary nandao ny zava-drehetra i Levy ka nitsangana ary nanaraka azy.",
        "29": "Dia nanao fanasambe ho an\u2019i Jesosy i Levy, tao an-tranony. Nisy mpamory hetra be dia be sy olon-kafa koa tao, nisakafo niaraka tamin\u2019izy ireo.",
        "30": "Dia nimenomenona tamin\u2019ny mpianatr\u2019i Jesosy ny Fariseo sy ny mpanora-dal\u00e0na teo amin\u2019izy ireo hoe: \u201cFa maninona ianareo no miara-mihinana sy misotro amin\u2019ny mpamory hetra sy ny mpanota?\u201d",
        "31": "Dia namaly i Jesosy hoe: \u201cTsy ny salama no mila dokotera, fa ny marary.",
        "32": "Tsy tonga hiantso ny olo-marina aho, fa tonga hiantso ny mpanota mba hibebaka.\u201d",
        "33": "Hoy izy ireo: \u201cMifady hanina matetika ny mpianatr\u2019i Jaona sady mitalaho amim-bavaka. Manao hoatr\u2019izany koa ny mpianatry ny Fariseo, fa ny anao kosa mihinana sy misotro.\u201d",
        "34": "Dia hoy i Jesosy: \u201cTsy azonareo terena hifady hanina ny naman\u2019ny mpampakatra raha mbola miaraka aminy eo ny mpampakatra. Sa tsy izany?",
        "35": "Indray andro any anefa, dia tsy hiaraka aminy intsony ny mpampakatra, ka amin\u2019izany andro izany ry\u00a0zareo vao hifady hanina.\u201d",
        "36": "Nilaza fanoharana tamin\u2019izy ireo koa izy hoe: \u201cTsy misy olona maka tapa-damba avy amin\u2019ny akanjo vaovao, ka manampina akanjo tonta amin\u2019izany. Raha izany mantsy, dia handrirotra an\u2019ilay akanjo tonta ilay tapa-damba vaovao sady tsy hifanaraka aminy koa.",
        "37": "Ary tsy misy olona manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra efa tonta. Raha izany mantsy, dia hamaky an\u2019ilay siny hoditra ilay divay vaovao ka ho raraka ny divay, ary ho simba ny siny.",
        "38": "Fa tsy maintsy hatao ao anaty siny hoditra vaovao ny divay vaovao.",
        "39": "Ary tsy misy olona hangataka divay vaovao rehefa avy nisotro divay efa niotrika ela, fa hiteny izy hoe: \u2018Ny ela no tsara.\u2019\u201d"
    },
    "6": {
        "1": "Nandeha teny an-tanimbary i Jesosy sy ny mpianany, indray sabata izay. Nioty salohim-bary ny mpianany, ka nokosikosehin\u2019izy ireo tamin\u2019ny tanany izany dia nohaniny.",
        "2": "Dia hoy ny Fariseo sasany: \u201cFa maninona ianareo no manao zavatra tsy azo atao amin\u2019ny Sabata?\u201d",
        "3": "Namaly anefa i Jesosy hoe: \u201cMbola tsy novakinareo mihitsy angaha ilay nataon\u2019i Davida, rehefa noana izy sy ny olona niaraka taminy?",
        "4": "Niditra tao an-tranon\u2019Andriamanitra izy ary nomena azy ny mofo atolotra, dia nohaniny izany ary nomeny koa ny olona niaraka taminy. Tsy nisy nahazo nihinana an\u2019izany anefa, afa-tsy ny mpisorona ihany.\u201d",
        "5": "Avy eo dia hoy izy tamin\u2019ireo: \u201cNy Zanak\u2019olona no Tompon\u2019ny Sabata.\u201d",
        "6": "Tamin\u2019ny sabata hafa indray, dia niditra tao amin\u2019ny synagoga izy ary nampianatra. Ary nisy lehilahy maty tanana ankavanana tao.",
        "7": "Nijery tsara an\u2019i Jesosy ny mpanora-dal\u00e0na sy ny Fariseo raha hanasitrana azy izy na tsia, mba hahitana antony hiampangana azy. Sabata mantsy tamin\u2019izay.",
        "8": "Fantatr\u2019i Jesosy anefa ny eritreritr\u2019izy ireo, ka hoy izy tamin\u2019ilay lehilahy maty tanana: \u201cMitsang\u00e0na dia mijoroa etsy afovoany etsy.\u201d Dia nitsangana izy ka nijoro teo.",
        "9": "Dia hoy i Jesosy tamin\u2019izy ireo: \u201cManontany anareo aho: Inona no azo atao amin\u2019ny Sabata: Ny manao soa sa ny manao ratsy? Ny mamonjy aina sa ny mamono olona?\u201d",
        "10": "Rehefa avy nijery an\u2019ireo rehetra nanodidina azy teo izy, dia niteny tamin\u2019ilay lehilahy hoe: \u201cAtsory ny tananao.\u201d Dia nataony izany ka sitrana ny tanany.",
        "11": "Romotry ny hatezerana anefa izy ireo, ka niara-nikaon-doha hoe ahoana no hatao amin\u2019i Jesosy.",
        "12": "Nankany an-tendrombohitra izy, indray andro izay, mba hivavaka. Dia nivavaka tamin\u2019Andriamanitra nandritra ny alina manontolo izy.",
        "13": "Ary niantso ny mpianany izy, rehefa maraina ny andro, ka nifidy 12\u00a0lahy tamin\u2019izy ireo, izay nataony hoe apostoly:",
        "14": "I Simona, izay nantsoiny koa hoe Petera, Andrea rahalahiny, Jakoba, Jaona, Filipo, Bartolomeo,",
        "15": "Matio, Tomasy, Jakoba zanak\u2019i Alfeo, Simona izay atao hoe \u201cilay mafana fo\u201d,",
        "16": "Jodasy zanak\u2019i Jakoba, ary Jodasy Iskariota, ilay lasa mpamadika.",
        "17": "Ary niara-nidina tamin\u2019ireo izy, ka nijanona teo amin\u2019ny lemaka iray. Nisy mpianany maro be teo, sy vahoaka be avy any amin\u2019ny faritra rehetra eran\u2019i Jodia sy Jerosalema ary ny faritra amoron-tsirak\u2019i Tyro sy Sidona. Tonga hihaino azy sy hositraniny tamin\u2019ny aretiny izy ireo.",
        "18": "Na ireo nampijalin\u2019ny fanahy maloto aza sitrana.",
        "19": "Ary nitady hikasika azy ny vahoaka rehetra, satria nisy hery niala taminy ka nahasitrana azy rehetra.",
        "20": "Dia nitraka nijery an\u2019ireo mpianany izy, ka niteny hoe: \u201cSambatra ianareo mahantra, fa anareo ny Fanjakan\u2019Andriamanitra.",
        "21": "\u201cSambatra ianareo noana ankehitriny, fa hovokisana ianareo. \u201cSambatra ianareo mitomany ankehitriny, fa hihomehy ianareo.",
        "22": "\u201cSambatra ianareo raha halan\u2019ny olona sy ailikiliny ary haratsiny ka lazainy hoe ratsy fanahy, noho ny amin\u2019ny Zanak\u2019olona.",
        "23": "Mifalia amin\u2019izany andro izany, ary aoka ianareo hitsinjaky ny hafaliana, fa lehibe ny valisoanareo any an-danitra. Fa hoatr\u2019izany koa no nataon\u2019ny razambeny tamin\u2019ny mpaminany.",
        "24": "\u201cFa hahita loza kosa ianareo manankarena, satria efa azonareo daholo izay mahafa-po anareo.",
        "25": "\u201cHahita loza ianareo izay voky ankehitriny, fa mbola ho noana ianareo. \u201cHahita loza ianareo izay mihomehy ankehitriny, fa halahelo sy hitomany ianareo.",
        "26": "\u201cHahita loza ianareo raha milaza zavatra tsara momba anareo daholo ny olona, fa izany koa no nataon\u2019ny razamben\u2019izy ireo tamin\u2019ny mpaminany sandoka.",
        "27": "\u201cFa izao kosa no lazaiko aminareo mihaino ahy: Tiavo foana ny fahavalonareo, manaova soa foana amin\u2019izay mankahala anareo,",
        "28": "irario soa foana izay manozona anareo, ary mivavaha foana ho an\u2019izay manao tsinontsinona anareo.",
        "29": "Raha misy mamely ny takolakao anankiray, dia atolory azy koa ny iray. Ary raha misy maka ny akanjonao ivelany, dia avelao halainy koa ny akanjo anatiny.",
        "30": "Izay rehetra mangataka aminao dia omeo, ary aza takina amin\u2019izay naka azy ny fanananao.",
        "31": "\u201cIzay tianareo hataon\u2019ny olona aminareo no ataovy aminy koa.",
        "32": "\u201cRaha izay tia anareo ihany no tianareo, mendrika ny hahazo dera ve ianareo amin\u2019izany? Na ny mpanota aza mantsy mba tia an\u2019izay tia azy koa.",
        "33": "Ary raha izay manisy soa anareo ihany no asianareo soa, mendrika ny hahazo dera ve ianareo amin\u2019izany? Na ny mpanota aza ange manao hoatr\u2019izany koa\u00a0e!",
        "34": "Raha izay antenainareo hamerina ny volanareo ihany no ampisamborinareo, mendrika ny hahazo dera ve ianareo amin\u2019izany? Na ny samy mpanota aza mifampisambo-bola, satria manantena hoe ho tafaverina ny volany.",
        "35": "Fa ianareo kosa, tiavo foana ny fahavalonareo, manaova soa hatrany, ary mampisambora nefa aza manantena valiny. Amin\u2019izay dia ho lehibe ny valisoanareo ary ho zanaky ny Avo Indrindra ianareo, satria izy tsara fanahy amin\u2019izay tsy mankasitraka sy amin\u2019ny ratsy fanahy.",
        "36": "Mamindr\u00e0\u00a0fo foana, toy ny Rainareo izay mpamindra fo.",
        "37": "\u201cAza mitsara intsony, dia tsy hotsaraina mihitsy ianareo. Ary aza manameloka intsony, dia tsy homelohina mihitsy ianareo. Mamel\u00e0 ny hafa, dia mba havela koa ianareo.",
        "38": "Aoka ianareo ho zatra manome, dia mba homena koa ianareo. Fatra tsara sy nafatratra sady nahontsana ary mihoatra no hararaka eo am-pofoanareo. Fa araka izay famarana ampiasainareo no hamarana ho anareo.\u201d",
        "39": "Nilaza fanoharana tamin\u2019izy ireo koa izy avy eo hoe: \u201cNy jamba angaha afaka mitarika jamba? Tsy ho latsaka any an-kady ve izy roa?",
        "40": "Ny mpianatra tsy ambony noho ny mpampianatra azy, fa izay rehetra mahazo fampianarana tonga lafatra dia hitovy amin\u2019ny mpampianatra azy ihany.",
        "41": "Koa maninona ianao no mijery ny sombin-kazo eo amin\u2019ny mason\u2019ny rahalahinao, nefa ny vatan-kazo eo amin\u2019ny masonao aza tsy hitanao?",
        "42": "Ahoana no itenenanao amin\u2019ny rahalahinao hoe: \u2018Aleo hesoriko ny sombin-kazo eo amin\u2019ny masonao, ry\u00a0rahalahy\u2019, nefa ianao aza tsy mahita ny vatan-kazo eo amin\u2019ny masonao? Ry\u00a0mpihatsaravelatsihy! Esory aloha ny vatan-kazo eo amin\u2019ny masonao, dia ho hitanao tsara hoe ahoana no hanesorana ny sombin-kazo eo amin\u2019ny mason\u2019ny rahalahinao.",
        "43": "\u201cFa tsy misy hazo tsara mamoa voa ratsy, ary tsy misy hazo ratsy mamoa voa tsara.",
        "44": "Fa samy fantatra amin\u2019ny voany avy ny hazo tsirairay. Tsy misy olona mioty aviavy amin\u2019ny tsilo, ohatra, na mioty voaloboka amin\u2019ny voarointsilo.",
        "45": "Ny olona tsara dia mamoaka an\u2019izay zavatra tsara tehiriziny ao am-pony, fa ny olona ratsy fanahy kosa mamoaka an\u2019izay zavatra ratsy tehiriziny ao am-pony. Fa izay mameno ny fon\u2019ny olona no lazain\u2019ny vavany.",
        "46": "\u201cKoa nahoana ianareo no miantso ahy hoe: \u2018Tompo\u00a0\u00f4! Tompo\u00a0\u00f4!\u2019, nefa tsy manao an\u2019izay lazaiko?",
        "47": "Hasehoko anareo hoe azo oharina amin\u2019inona ny olona manatona ahy sy mihaino ny teniko ka mankat\u00f2:",
        "48": "Hoatran\u2019ny lehilahy nanorina trano izy, ka nihady lalina vao nandatsaka fototra teo ambony vatolampy. Koa rehefa nisy tondra-drano, dia namely mafy an\u2019izany trano izany ny renirano, saingy tsy nampihozongozona azy, satria tsara orina ilay izy.",
        "49": "Fa izay maheno nefa tsy manao na inona na inona, dia hoatran\u2019ny olona nanorina trano teo ambonin\u2019ny tany nefa tsy nihady fototra. Namely mafy an\u2019izany trano izany ilay renirano, ka tonga\u00a0dia nirodana ilay izy ary rava tanteraka.\u201d"
    },
    "7": {
        "1": "Niditra tao Kapernaomy i Jesosy, rehefa tapitra izay tokony holazainy tamin\u2019ny vahoaka.",
        "2": "Ary nisy manamboninahitra iray nanana mpanompo tena tiany, nefa narary mafy efa ho faty ilay mpanompo.",
        "3": "Koa rehefa nandre ny momba an\u2019i Jesosy ilay manamboninahitra, dia nisy anti-panahin\u2019ny Jiosy nirahiny ho any amin\u2019i Jesosy, mba hangataka azy ho avy ka hanasitrana an\u2019ilay mpanompo.",
        "4": "Dia tonga tany amin\u2019i Jesosy izy ireo ary niangavy mafy azy hoe: \u201cMendrika ny hanaovanao an\u2019izany izy,",
        "5": "satria tiany ny firenentsika sady nanorina synagoga teto aminay izy.\u201d",
        "6": "Nandeha niaraka tamin\u2019izy ireo \u00e0ry i Jesosy. Rehefa tsy lavitra an\u2019ilay trano anefa izy, dia efa nisy naman\u2019ilay manamboninahitra nirahiny hilaza taminy hoe: \u201cAza misahirana mankat\u1ef3 amiko, tompoko, fa tsy mendrika ny handray anao ao an-tranoko aho.",
        "7": "Na izaho aza tsy mieritreritra hoe mendrika hankeny aminao. Fa mitenena fotsiny, dia ho sitrana ny mpanompoko.",
        "8": "Izaho koa mantsy eo ambany fahefan\u2019olona, sady manana miaramila eo ambany fahefako. Dia raha miteny amin\u2019ny miaramila anankiray aho hoe: \u2018Mandehana!\u2019, dia lasa izy, ary amin\u2019ny anankiray kosa hoe: \u2018Avia!\u2019, dia tonga izy, ary amin\u2019ny mpanompoko hoe: \u2018Ataovy ity!\u2019 dia ataony izany.\u201d",
        "9": "Gaga i Jesosy rehefa naheno an\u2019izany, ka nitodika tany amin\u2019ny vahoaka nanaraka azy, ary niteny hoe: \u201cLazaiko aminareo fa mbola tsy nahita finoana lehibe hoatr\u2019izany aho, na teo amin\u2019ny Israely aza.\u201d",
        "10": "Rehefa niverina tany an-tranon\u2019ilay manamboninahitra ireo olona nirahiny ireo, dia nahita fa efa salama tsara ilay mpanompo.",
        "11": "Taoriana kelin\u2019izay, dia nankany amin\u2019ny tan\u00e0na atao hoe Naina i Jesosy, ary nisy vahoaka be niara-dia taminy, ankoatra ny mpianany.",
        "12": "Rehefa nanakaiky ny vavahadin\u2019ny tan\u00e0na izy, dia iny fa nisy faty nentina nivoaka. Zanaka lahitokan-dreniny izy io, sady ilay reniny rahateo efa maty vady. Ary nisy vahoaka be avy tao an-tan\u00e0na niaraka tamin\u2019ilay vehivavy.",
        "13": "Raha vao nahita azy ny Tompo, dia nangoraka azy ka niteny taminy hoe: \u201cAza mitomany intsony.\u201d",
        "14": "Dia nanatona izy ary nikasika an\u2019ilay filanjana faty, ka nijanona ny mpilanja. Hoy izy avy eo: \u201cRy\u00a0tovolahy, izao no lazaiko aminao: Miarena!\u201d",
        "15": "Dia niarina ny maty ary nanomboka niteny, ka natolotr\u2019i Jesosy an-dreniny.",
        "16": "Ary raiki-tahotra ny rehetra, dia nanome voninahitra an\u2019Andriamanitra ka nilaza hoe: \u201cMpaminany lehibe no efa tonga eto amintsika\u201d, sy hoe: \u201cNitsinjo ny vahoakany Andriamanitra.\u201d",
        "17": "Dia niely eran\u2019i Jodia sy ny faritra rehetra manodidina izany vaovao momba azy izany.",
        "18": "Nitantara an\u2019izany rehetra izany tamin\u2019i Jaona ny mpianany.",
        "19": "Koa niantso anankiroa tamin\u2019ny mpianany i Jaona, dia naniraka azy tany amin\u2019ny Tompo mba hanontany hoe: \u201cIanao ve Ilay ho avy, sa olon-kafa no tokony handrasanay?\u201d",
        "20": "Rehefa tonga tany aminy izy ireo, dia niteny hoe: \u201cNirahin\u2019i Jaona Mpanao Batisa izahay hanontany anao hoe: \u2018Ianao ve Ilay ho avy, sa olon-kafa no tokony handrasanay?\u2019\u201d",
        "21": "Tamin\u2019izay fotoana izay i Jesosy dia nanasitrana olona maro tsy salama sy narary mafy ary nisy fanahy ratsy. Nampahiratra jamba be dia be koa izy.",
        "22": "Dia namaly azy roa lahy izy hoe: \u201cMandehana tantarao amin\u2019i Jaona izao hitanareo sy henonareo izao: Lasa mahita ny jamba, mandeha ny malemy, voadio ny boka, mandre ny marenina, atsangana ny maty, ary itoriana ny vaovao tsara ny mahantra.",
        "23": "Sambatra izay tsy tafintohina noho ny amiko.\u201d",
        "24": "Rehefa lasa ireo olona nirahin\u2019i Jaona, dia niresaka momba an\u2019i Jaona tamin\u2019ny vahoaka i Jesosy. Hoy izy: \u201cNivoaka hijery inona tany an-tany efitra ianareo? Bararata ahetsiketsiky ny rivotra ve?",
        "25": "Sa nivoaka hijery inona ianareo? Olona manao akanjo vita amin\u2019ny ravin-damba malefaka ve? Any an-tranon\u2019ny mpanjaka no misy manao akanjo tsara\u00a0be sy manana an\u2019izay rehetra mahafinaritra azy!",
        "26": "Inona marina \u00e0ry no nivoahanareo\u00a0e? Hijery mpaminany ve? Tsoriko aminareo fa lehibe lavitra noho ny mpaminany izy.",
        "27": "Fa izao no voasoratra momba azy: \u2018Halefako mialoha anao ilay olona irahiko, izay hanomana ny lalana halehanao.\u2019",
        "28": "Lazaiko aminareo fa amin\u2019izay nateraky ny vehivavy, dia mbola tsy misy lehibe noho i Jaona. Mbola lehibe noho izy anefa izay kely indrindra ao amin\u2019ny Fanjakan\u2019Andriamanitra.\u201d",
        "29": "\u2014Rehefa naheno an\u2019izany ny olona rehetra sy ny mpamory hetra, dia niaiky fa manao ny rariny Andriamanitra. Ny batisan\u2019i Jaona mantsy no nanaovana batisa azy ireo.",
        "30": "Fa ny Fariseo sy ireo nahay Lal\u00e0na kosa tsy niraharaha ny sitrapon\u2019Andriamanitra momba azy ireo, satria tsy nanaiky hataon\u2019i Jaona batisa.\u2014",
        "31": "\u201cHohariko amin\u2019iza \u00e0ry ny olona amin\u2019ity taranaka ity? Ary hoatran\u2019iza izy ireo?",
        "32": "Hoatran\u2019ny ankizy mipetraka eny an-tsena, dia mifampiresaka hoe: \u2018Efa nitsoka sodina izahay, nefa ianareo tsy mba nandihy. Efa nanao hira fisaonana izahay, nefa ianareo tsy mba nitomany.\u2019",
        "33": "Hoatr\u2019izany koa fa tonga i Jaona Mpanao Batisa, tsy nihinana mofo na nisotro divay, nefa nilaza ianareo hoe: \u2018Misy demonia izy.\u2019",
        "34": "Tonga kosa ny Zanak\u2019olona, mihinana sy misotro, nefa mbola milaza ihany ianareo hoe: \u2018Jereo! Olona tendan-kanina sy mpiboboka divay io, sady naman\u2019ny mpamory hetra sy ny mpanota!\u2019",
        "35": "Izay vokatry ny ataon\u2019ny olona anefa no ahitana raha hendry izy na tsia.\u201d",
        "36": "Ary nanasa azy foana hiara-misakafo aminy ny Fariseo iray. Koa niditra tao an-tranon\u2019ilay Fariseo izy ary naka toerana teo amin\u2019ny latabatra.",
        "37": "Ary fantatry ny vehivavy iray nalaza ho mpanota tao amin\u2019ilay tan\u00e0na fa nisakafo tao an-tranon\u2019ilay Fariseo i Jesosy. Dia nitondra tavoahangy vatosanga nisy menaka manitra izy.",
        "38": "Nankao aorianan\u2019i Jesosy teo an-tongony izy ary nitomany, dia kotsan\u2019ny ranomasony ny tongotr\u2019i Jesosy, ka nohamaininy tamin\u2019ny volon-dohany. Norohany koa ny tongotr\u2019i Jesosy sady nandrarahany menaka manitra.",
        "39": "Rehefa nahita an\u2019izany ilay Fariseo nanasa azy, dia nieritreritra hoe: \u201cRaha tena mpaminany ity lehilahy ity, dia ho nahalala hoe iza io mikasika azy io, ary vehivavy hoatran\u2019ny ahoana io. Tokony ho fantany hoe mpanota io.\u201d",
        "40": "Izao anefa no navalin\u2019i Jesosy azy: \u201cRy\u00a0Simona, misy zavatra tiako holazaina aminao.\u201d Dia hoy izy: \u201cLazao \u00e0ry, Mpampianatra\u00a0\u00f4!\u201d",
        "41": "\u201cNisy roa lahy nananan\u2019olona trosa. Ny an\u2019ny anankiray 500\u00a0denaria, fa ny an\u2019ny anankiray kosa 50.",
        "42": "Rehefa tsy nanana handoavana an\u2019ilay trosa izy roa lahy, dia namela tanteraka ny trosan\u2019izy ireo ilay olona. Iza amin\u2019izy roa lahy \u00e0ry no ho tia azy bebe kokoa?\u201d",
        "43": "Namaly i Simona hoe: \u201cRaha ny fahitako azy, dia ilay nananany trosa betsaka kokoa.\u201d Dia hoy izy: \u201cMarina ny anao.\u201d",
        "44": "Dia nitodika tany amin\u2019ilay vehivavy izy, sady niteny tamin\u2019i Simona hoe: \u201cHitanao io vehivavy io? Niditra tato an-tranonao aho, nefa ianao tsy nanome rano ahy hanasana ny tongotro. Fa io vehivavy io kosa nahakotsa ny tongotro tamin\u2019ny ranomasony, ary nanamaina an\u2019izany tamin\u2019ny volon-dohany.",
        "45": "Ianao tsy nanoroka ahy, nefa io vehivavy io tsy nitsahatra nanoroka ny tongotro hatramin\u2019ny nidirako tato.",
        "46": "Ianao tsy nandraraka menaka tamin\u2019ny lohako, nefa io vehivavy io nandraraka menaka manitra tamin\u2019ny tongotro.",
        "47": "Noho izany, dia lazaiko aminao fa voavela ny helony, na dia betsaka aza, satria be\u00a0fitiavana izy. Fa izay voavela tamin\u2019ny kely, dia kely fitiavana.\u201d",
        "48": "Dia hoy izy tamin\u2019ilay vehivavy: \u201cVoavela ny helokao.\u201d",
        "49": "Ary nifampiresaka ireo nisakafo niaraka taminy teo amin\u2019ny latabatra hoe: \u201cFa mba iza \u00e0ry io no mamela heloka?\u201d",
        "50": "Hoy anefa izy tamin\u2019ilay vehivavy: \u201cNy finoanao no namonjy anao. Mirary soa ho anao aho.\u201d"
    },
    "8": {
        "1": "Taoriana kelin\u2019izay, dia lasa nitety tan\u00e0na sy vohitra i Jesosy, nitory sy nanambara ny vaovao tsaran\u2019ny Fanjakan\u2019Andriamanitra. Ary niaraka taminy izy 12\u00a0Lahy,",
        "2": "sy ny vehivavy sasany efa nivoahan\u2019ny fanahy ratsy sy efa nositranina tamin\u2019ny aretiny, dia i Maria, ilay antsoina hoe Magdalena, izay efa nivoahan\u2019ny demonia fito;",
        "3": "Johana vadin\u2019i Koza, mpiandraikitra ny tao an-tranon\u2019i Heroda; Sosana; ary vehivavy maro hafa, izay samy nampiasa ny fananany hikarakarana an\u2019i Jesosy sy ny mpianany.",
        "4": "Rehefa nisy vahoaka be tafavory teo, niaraka tamin\u2019ny olona nanatona azy avy tany amin\u2019ny tan\u00e0na samihafa, dia nilaza an\u2019izao fanoharana izao izy:",
        "5": "\u201cNisy mpamafy nivoaka mba hamafy ny voany. Tamin\u2019izy namafy, dia latsaka teny amoron-dalana ny voa sasany, ka voahitsakitsaka ary lanin\u2019ny voro-manidina.",
        "6": "Ny sasany latsaka teny ambony vatolampy ary nitsimoka, saingy nalazo avy eo satria tsy nisy mandomando.",
        "7": "Ny voa sasany indray latsaka teny amin\u2019ny tsilo, ary niara-naniry taminy ny tsilo ka nandrakotra an\u2019ireny.",
        "8": "Ny voa hafa kosa latsaka teny amin\u2019ny tany tsara, ary nitsimoka ka namokatra avo 100\u00a0heny.\u201d Rehefa avy niteny an\u2019izany izy, dia niteny mafy hoe: \u201cIzay manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino.\u201d",
        "9": "Ary nanontany azy momba ny hevitr\u2019ilay fanoharana ny mpianany.",
        "10": "Dia hoy i Jesosy: \u201cIanareo no navela hahazo ny dikan\u2019ny zava-miafina masina momba ny Fanjakan\u2019Andriamanitra. Fa fanoharana kosa no atao amin\u2019ny olon-kafa, mba hijery izy fa tsy hahita, ary haheno fa tsy hahazo ny dikan\u2019ny zavatra henony.",
        "11": "Izao no hevitr\u2019iny fanoharana iny: Ny voa dia ny tenin\u2019Andriamanitra.",
        "12": "Ireo teny amoron-dalana dia izay mandre an\u2019izany, saingy tonga ny Devoly manala an\u2019ilay teny ao am-pony, sao hino izy ka ho voavonjy.",
        "13": "Ireo teny ambony vatolampy dia izay mandre ny teny, ary faly er\u1ef3 manaiky an\u2019izany, saingy tsy misy fakany ireny voa ireny. Koa mino vetivety fotsiny izy, dia miala rehefa tojo fitsapana.",
        "14": "Ary ireo latsaka teny amin\u2019ny tsilo, dia izay mandre ny teny saingy lasa varimbariana noho ny fanahiana sy ny harena ary ny fahafinaretana eo amin\u2019ny fiainana. Lasa tototra tanteraka \u00e0ry ny teny, ka tsy mamoa voa tsara.",
        "15": "Fa ireo teny amin\u2019ny tany tsara kosa, dia izay mandre ny teny amin\u2019ny fo tsara sy madio, ka mitahiry an\u2019izany ao am-pony, ary mamoa sady miaritra.",
        "16": "\u201cTsy misy olona mandrehitra jiro ka manarona azy amin-javatra, na mametraka azy ao ambany fandriana, fa ataony eo amin\u2019ny fitoeran-jiro kosa izany mba hahita hazavana ny olona miditra ao amin\u2019ilay efitra.",
        "17": "Fa tsy misy zavatra afenina ka hoe tsy haseho, na zavatra tsara afina ka hoe tsy ho fantatra mihitsy na tsy hiharihary.",
        "18": "Koa tandremo ny fomba fihainoanareo, satria izay manana dia homena betsaka kokoa. Fa izay tsy manana kosa, na izay heveriny hoe ananany aza dia halaina aminy.\u201d",
        "19": "Ary nankany amin\u2019i Jesosy ny reniny sy ny rahalahiny, saingy tsy afaka nankeny akaikiny satria be loatra ny vahoaka.",
        "20": "Koa nisy nilaza taminy hoe: \u201cMijoro ao ivelany ao ny reninao sy ny rahalahinao, fa te hahita anao.\u201d",
        "21": "Dia hoy izy tamin\u2019izy ireo: \u201cIreto olona mihaino sy mankat\u00f2 ny tenin\u2019Andriamanitra ireto no reniko sy rahalahiko.\u201d",
        "22": "Indray andro, dia nankao anaty sambokely izy sy ny mpianany, ary hoy izy tamin\u2019izy ireo: \u201cAndao ho eny ampitan\u2019ny farihy.\u201d Dia lasa izy ireo.",
        "23": "Resin-tory anefa izy, tamin\u2019izy ireo mbola teny ambonin\u2019ilay sambokely. Ary nisy tafio-drivotra mahery nidina teo amin\u2019ilay farihy, ka nihafeno rano ilay sambokely, ary notandindomin-doza izy ireo.",
        "24": "Koa nankeo amin\u2019i Jesosy ny mpianany ary namoha azy, sady niteny hoe: \u201cMpampianatra\u00a0\u00f4, Mpampianatra\u00a0\u00f4! Ho faty isika!\u201d Dia nitsangana izy ary noteneniny mafy ny rivotra sy ny rano nisamboaravoara, ka nitsahatra izany ary lasa tony ny andro.",
        "25": "Ary hoy izy tamin\u2019izy ireo: \u201cFa maninona ianareo no kely finoana?\u201d Natahotra be anefa izy ireo sady gaga, ka nifampiresaka hoe: \u201cIza marina \u00e0ry izy ity\u00a0e? Fa na ny rivotra sy ny rano aza baikoiny, dia mankat\u00f2 azy.\u201d",
        "26": "Dia tonga tany amin\u2019ny faritra nisy ny Gerasianina, tandrifin\u2019i Galilia, izy ireo.",
        "27": "Rehefa niala nankeny an-tanety i Jesosy, dia nisy lehilahy anankiray avy tao an-tan\u00e0na nifanena taminy. Nisy demonia izy io ary efa ela no tsy niakanjo. Tsy nipetraka tamin\u2019ny trano koa izy, fa teny am-pasana.",
        "28": "Niantsoantso mafy izy raha vao nahatazana an\u2019i Jesosy, ary nandohalika teo anatrehany ka niteny mafy hoe: \u201cFa inona koa no anelingelenanao ahy at\u1ef3, ry\u00a0Jesosy Zanak\u2019ilay Andriamanitra Avo Indrindra\u00a0\u00f4? Miangavy anao aho, aza ampijalina re aho\u00a0e!\u201d",
        "29": "\u2014Nandidy an\u2019ilay fanahy maloto mantsy i Jesosy mba hivoaka tamin\u2019ilay lehilahy. Efa nidiran\u2019izy io imbetsaka ilay lehilahy, ary nofatorana matetika tamin\u2019ny rojo vy sy gadra vy izy dia nambenana. Notapahiny anefa izay namatorana azy ary nentin\u2019ilay demonia tany amin\u2019ny toerana nitokana izy.\u2014",
        "30": "Nanontany azy i Jesosy hoe: \u201cIza no anaranao?\u201d Dia hoy izy: \u201cAndian-tafika\u201d, satria demonia be dia be no niditra tao amin\u2019ilay lehilahy.",
        "31": "Niangavy azy foana ireo mba tsy hanome baiko azy ho any amin\u2019ny lavaka mangitsokitsoka.",
        "32": "Ary nisy kisoa be dia be nandrasana teo amin\u2019ilay tendrombohitra. Koa niangavy an\u2019i Jesosy ireo demonia mba havelany hiditra tao amin\u2019ireo kisoa ireo, dia nekeny izany.",
        "33": "Dia nivoaka tamin\u2019ilay lehilahy ireo demonia, ka niditra tao amin\u2019ireo kisoa. Ary nirifatra nankeny amin\u2019ny hantsana ilay andian-kisoa, dia nivarina tany amin\u2019ny farihy ka maty an-drano.",
        "34": "Rehefa nahita an\u2019izay nitranga ireo mpiandry kisoa, dia nandositra ka nitantara an\u2019izany tao an-tan\u00e0na sy tany ambanivohitra.",
        "35": "Dia nivoaka ny olona mba hijery an\u2019izay nitranga. Tonga teo amin\u2019i Jesosy izy ireo ary nahita an\u2019ilay lehilahy nivoahan\u2019ny demonia. Efa niakanjo sady efa salama saina ilay lehilahy, ary nipetraka teo an-tongotr\u2019i Jesosy. Koa natahotra ny olona.",
        "36": "Ary izay nahita an\u2019izany dia nitantara tamin\u2019izy ireo ny fomba nanasitranana an\u2019ilay lehilahy nisy demonia.",
        "37": "Olona be dia be avy ao amin\u2019ilay faritra nisy ny Gerasianina \u00e0ry no nangataka an\u2019i Jesosy mba hiala teo, satria natahotra be mihitsy izy ireo. Koa nankao amin\u2019ilay sambokely izy, dia niala teo.",
        "38": "Niangavingavy azy anefa ilay lehilahy nivoahan\u2019ny demonia hoe hanaraka azy. Fa nasain\u2019i Jesosy nandeha izy sady noteneniny hoe:",
        "39": "\u201cMandehana mody any an-tranonao, ary tantarao amin\u2019ny olona izay nataon\u2019Andriamanitra taminao.\u201d Dia lasa izy nitory eran\u2019ilay tan\u00e0na ny zavatra nataon\u2019i Jesosy taminy.",
        "40": "Nandray tsara an\u2019i Jesosy ny vahoaka rehefa tafaverina izy, satria efa niandry azy ny rehetra.",
        "41": "Nanatona anefa ny lehilahy atao hoe Jairo, izay mpitantana ny synagoga, ka niankohoka teo an-tongotr\u2019i Jesosy, ary niangavy azy mba hankany an-tranony.",
        "42": "Efa ho faty mantsy ny zanany vavitokana, izay 12\u00a0taona teo ho eo. Koa nandeha i Jesosy, ary nifanesika teo aminy ny vahoaka.",
        "43": "Ary nisy vehivavy iray nandeha\u00a0ra efa nandritra ny 12\u00a0taona, nefa tsy nisy nahasitrana azy mihitsy.",
        "44": "Nanatona an\u2019i Jesosy avy tao aoriana izy, ka nikasika ny mikiramborambo amin\u2019ny morontongotry ny akanjony ivelany, dia nijanona avy hatrany ilay ra.",
        "45": "Hoy \u00e0ry i Jesosy: \u201cIza no nikasika ahy teo?\u201d Nanda anefa ny rehetra, dia hoy i Petera: \u201cMpampianatra\u00a0\u00f4, vahoaka be ange no manodidina anao sady mifanesika aminao\u00a0e!\u201d",
        "46": "Fa hoy i Jesosy: \u201cNisy olona nikasika ahy teo, satria tsapako fa nisy hery niala tamiko.\u201d",
        "47": "Hitan\u2019ilay vehivavy fa nisy nahatsikaritra izy, ka nanatona izy sady nangovitra dia nandohalika teo anatrehany. Ary notantarainy teo imason\u2019ny olona rehetra ny antony nikasihany azy sy ny fomba nahasitrana azy teo no ho eo.",
        "48": "Hoy anefa i Jesosy taminy: \u201cNy finoanao no nahasitrana anao, anaka. Mirary soa ho anao aho!\u201d",
        "49": "Tamin\u2019izy mbola niteny iny, dia nisy olona tonga avy tany an-tranon\u2019ilay mpitantana ny synagoga nilaza hoe: \u201cMaty ny zanakao, fa aza manahirana ny Mpampianatra intsony.\u201d",
        "50": "Henon\u2019i Jesosy izany, ka hoy izy: \u201cAza matahotra! Minoa fotsiny dia ho voavonjy izy.\u201d",
        "51": "Rehefa tonga teo amin\u2019ilay trano i Jesosy, dia tsy nisy navelany hiditra afa-tsy i Petera sy Jaona sy Jakoba ary ny ray sy renin\u2019ilay ankizivavy.",
        "52": "Nitomany daholo ny olona sady nikapo-tratra satria nalahelo an\u2019ilay ankizivavy. Koa niteny i Jesosy hoe: \u201cAza mitomany intsony! Tsy maty izy fa matory.\u201d",
        "53": "Dia nihomehezan\u2019ireo izy, satria fantatr\u2019izy ireo fa maty ilay ankizivavy.",
        "54": "Nandray ny tanany anefa i Jesosy, ka niantso hoe: \u201cRy\u00a0zazavavy, miarena!\u201d",
        "55": "Dia nody indray ny ainy, ka niarina avy hatrany izy ary nasain\u2019i Jesosy nomena sakafo.",
        "56": "Ary faly loatra ny ray aman-dreniny, kanefa tsy navelan\u2019i Jesosy hilazalaza tamin\u2019iza na iza an\u2019izay nitranga izy ireo."
    },
    "9": {
        "1": "Dia nantsoin\u2019i Jesosy izy 12\u00a0Lahy, ka nomeny hery sy fahefana hamoaka ny demonia rehetra sy hanasitrana aretina.",
        "2": "Ary nirahiny hitory ny Fanjakan\u2019Andriamanitra sy hanasitrana izy ireo,",
        "3": "ka hoy izy: \u201cAza mitondra na inona na inona rehefa mandeha ianareo, na tehina na kitapom-batsy na mofo na vola, ary aza mitondra akanjo anankiroa.",
        "4": "Fa na aiza na aiza trano hidiranareo, dia mijan\u00f2na ao ary avy ao indray miainga.",
        "5": "Ary na aiza na aiza misy olona tsy mandray anareo, dia ahintsano ny vovoka amin\u2019ny tongotrareo rehefa miala ao amin\u2019ilay tan\u00e0na ianareo, mba ho vavolombelona hiampanga azy.\u201d",
        "6": "Dia lasa izy ireo nitety an\u2019ilay faritra ka nandeha isan-tan\u00e0na, nitory ny vaovao tsara sy nanasitrana teny rehetra teny.",
        "7": "Henon\u2019i Heroda lehibem-paritra ny zava-drehetra nitranga, ka tena very hevitra izy satria nisy nilaza fa efa natsangana tamin\u2019ny maty i Jaona.",
        "8": "Ny sasany anefa nilaza hoe i Elia no niseho, ary ny hafa indray niteny hoe ny anankiray tamin\u2019ny mpaminany taloha no nitsangana tamin\u2019ny maty.",
        "9": "Dia hoy i Heroda: \u201cRaha i Jaona, dia efa notapahiko ny lohany. Koa iza indray \u00e0ry izany reko manao an\u2019izany zavatra izany?\u201d Te hahita mafy an\u2019i Jesosy \u00e0ry izy.",
        "10": "Rehefa niverina ny apostoly, dia nitantara tamin\u2019i Jesosy an\u2019izay rehetra nataon\u2019izy ireo. Ary nentiny nitokana nankany amin\u2019ny tan\u00e0na atao hoe Betsaida izy ireo.",
        "11": "Fantatry ny vahoaka anefa izany, ka nanaraka azy izy ireo. Dia nandray tsara azy ireo i Jesosy, ary niresaka taminy momba ny Fanjakan\u2019Andriamanitra, sady nanasitrana an\u2019izay nila nositranina.",
        "12": "Rehefa ho hariva ny andro, dia nanatona azy izy 12\u00a0Lahy, ka niteny hoe: \u201cRavao ny vahoaka mba handeha hitady toerana hatoriana sy sakafo eny amin\u2019ny tan\u00e0na manodidina sy eny ambanivohitra, fa mitokana ity misy antsika ity.\u201d",
        "13": "Hoy anefa izy tamin\u2019izy ireo: \u201cOmeo zavatra hohanina ry\u00a0zareo.\u201d Dia hoy ireo: \u201cTsy manana afa-tsy mofo dimy sy trondro roa izahay, raha tsy hoe izahay angaha no handeha hividy sakafo ho an\u2019ireo olona rehetra ireo.\u201d",
        "14": "Lehilahy tokotokony ho 5\u00a0000 no teo tamin\u2019izay. Hoy anefa izy tamin\u2019ny mpianany: \u201cAsaivo mipetraka mitsitokotoko ny olona, ka ataovy mitambatambatra 50 eo ho eo avy.\u201d",
        "15": "Dia nataon\u2019ny mpianany izany, ka nasainy nipetraka ny olona rehetra.",
        "16": "Nalain\u2019i Jesosy ny mofo dimy sy ny trondro roa, ary nitraka nijery ny lanitra izy dia nisaotra. Notapahiny izany avy eo, dia nomeny ny mpianatra mba haroso amin\u2019ny vahoaka.",
        "17": "Dia nihinana ny rehetra ka voky. Ary nangonin\u2019ny mpianatra ny sombintsombiny sisa tsy lany, ka nahafeno harona 12.",
        "18": "Taorian\u2019izay, tamin\u2019izy nivavaka irery, dia tonga teo aminy ny mpianatra ka nanontaniany hoe: \u201cIza, hono, aho raha ny filazan\u2019ny olona?\u201d",
        "19": "Hoy ny navalin\u2019izy ireo: \u201cJaona Mpanao Batisa. Misy koa anefa milaza hoe Elia, ary misy miteny hoe ny iray amin\u2019ny mpaminany taloha efa nitsangana tamin\u2019ny maty.\u201d",
        "20": "Dia hoy izy tamin\u2019izy ireo: \u201cFa ianareo kosa milaza hoe iza aho?\u201d Dia namaly i Petera hoe: \u201cKristin\u2019Andriamanitra.\u201d",
        "21": "Koa nofeperany mafy izy ireo mba tsy hilazalaza an\u2019izany tamin\u2019olona.",
        "22": "Hoy koa izy: \u201cTsy maintsy hampijalijalina ny Zanak\u2019olona ka holavin\u2019ny anti-panahy sy ny lehiben\u2019ny mpisorona ary ny mpanora-dal\u00e0na, dia hovonoina ho faty, ary hatsangana amin\u2019ny andro fahatelo.\u201d",
        "23": "Dia hoy ihany izy tamin\u2019ny rehetra: \u201cRaha misy te hanaraka ahy, dia tsy maintsy mand\u00e0 ny tenany izy ka mitondra ny hazo fijaliany isan\u2019andro ary manaraka ahy foana.",
        "24": "Fa izay te hamonjy ny ainy no hamoy an\u2019izany, ary izay mamoy ny ainy noho ny amiko kosa no hamonjy an\u2019izany.",
        "25": "Inona tokoa moa no soa ho azon\u2019ny olona raha azony izao tontolo izao nefa afoiny ny ainy, na potika ny fiainany?",
        "26": "Fa na iza na iza menatra noho ny amiko sy ny teniko, dia ho menatra noho ny amin\u2019izany olona izany koa ny Zanak\u2019olona, rehefa ho avy amin\u2019ny voninahiny sy ny voninahitry ny Rainy ary ny an\u2019ny anjely masina.",
        "27": "Fa lazaiko marina aminareo fa misy amin\u2019izay mijoro eto tsy ho faty mihitsy, raha tsy efa hitany ny Fanjakan\u2019Andriamanitra.\u201d",
        "28": "Valo andro teo ho eo taorian\u2019ny nilazany an\u2019ireo teny ireo, dia nentiny niaraka taminy i Petera sy Jaona ary Jakoba, ka niakatra tany an-tendrombohitra izy mba hivavaka.",
        "29": "Dia niova ny fahitana ny tarehin\u2019i Jesosy raha mbola nivavaka izy, ary lasa fotsy nanjelanjelatra ny akanjony.",
        "30": "Ary ireo fa nisy roa lahy niresaka taminy, dia i Mosesy sy Elia.",
        "31": "Niseho tamim-boninahitra izy ireo, sady niresaka momba ny handehanan\u2019i Jesosy, izay efa hitranga any Jerosalema.",
        "32": "Efa resin-tory i Petera sy ireo niaraka taminy tamin\u2019izay. Rehefa taitra tsara anefa izy ireo, dia hitany ny voninahitr\u2019i Jesosy ary hitany koa ireo roa lahy niara-nijoro taminy.",
        "33": "Rehefa handao an\u2019i Jesosy izy roa lahy, dia hoy i Petera tamin\u2019i Jesosy: \u201cMpampianatra\u00a0\u00f4, faly be izahay fa eto. Koa avelao izahay hanangana tranolay telo, ka ny iray ho anao, ny iray ho an\u2019i Mosesy, ary ny iray ho an\u2019i Elia.\u201d Tsy fantany anefa izay nolazainy.",
        "34": "Fa raha mbola niteny an\u2019izany izy, dia nisy rahona nanaloka azy ireo, ary natahotra izy ireo rehefa voasaron\u2019ilay rahona.",
        "35": "Dia nisy feo niteny avy tao amin\u2019ilay rahona hoe: \u201cIo no Zanako, ilay nofidiko. Henoy izy.\u201d",
        "36": "Tamin\u2019ny fotoana nandrenesana an\u2019ilay feo, dia i Jesosy irery sisa no hita teo. Ary nangina izy ireo ka mbola tsy nolazalazainy tamin\u2019ny olona aloha ny zavatra hitany.",
        "37": "Nisy vahoaka be nitsena an\u2019i Jesosy rehefa nidina avy tany an-tendrombohitra izy ireo, ny ampitson\u2019iny.",
        "38": "Ary niantso mafy avy tao amin\u2019ny vahoaka ny lehilahy iray hoe: \u201cMpampianatra\u00a0\u00f4, miangavy anao re aho mba hijery ny zanako\u00a0e, fa zanako lahitokana izy!",
        "39": "Idiran\u2019ny fanahy maloto izy dia miantsoantso tampoka, ary ataony mifanintontsintona sy mamoaka roatram-bava. Rehefa mangamangana mihitsy ny zanako vao ialany.",
        "40": "Efa niangavy ny mpianatrao aho hamoaka an\u2019ilay fanahy, saingy tsy vitan\u2019izy ireo.\u201d",
        "41": "Dia hoy i Jesosy: \u201cRy\u00a0taranaka tsy manam-pinoana sy ratsy fanahy, mandra-pahoviana aho no tsy maintsy mbola hijanona eto aminareo sy handefitra aminareo? Ento at\u1ef3 ny zanakao.\u201d",
        "42": "Rehefa nanatona ilay ankizilahy dia natontan\u2019ilay demonia tamin\u2019ny tany, sady nataony nifanintontsintona\u00a0be. Notenenin\u2019i Jesosy mafy anefa ilay fanahy maloto, ka sitrana ilay ankizilahy ary nomen\u2019i Jesosy an-drainy.",
        "43": "Dia gaga be daholo ny olona noho ny hery lehiben\u2019Andriamanitra. Raha mbola talanjona ny rehetra noho ny zava-drehetra nataon\u2019i Jesosy, dia hoy izy tamin\u2019ny mpianany:",
        "44": "\u201cHenoy tsara sady tadidio izao teny izao: Efa hisy hamadika ny Zanak\u2019olona dia hatolotra eo am-pelatanan\u2019ny olona.\u201d",
        "45": "Tsy azon\u2019ireo anefa izay nolazainy. Nafenina azy ireo mantsy izany mba tsy ho takany, ary natahotra ny hanontany azy momba an\u2019izany izy ireo.",
        "46": "Ary nifamaly ny mpianatra hoe iza tamin\u2019izy ireo no lehibe indrindra.",
        "47": "Fantatr\u2019i Jesosy ny tao am-pon\u2019izy ireo, ka nalainy ny zaza anankiray ary nasainy nitsangana teo akaikiny,",
        "48": "dia hoy izy tamin\u2019izy ireo: \u201cIzay mandray an\u2019ity zaza ity amin\u2019ny anarako dia mandray ahy, ary izay mandray ahy dia mandray an\u2019Ilay naniraka ahy. Fa izay mitondra tena toy ny kely indrindra aminareo rehetra dia izy no lehibe.\u201d",
        "49": "Hoy i Jaona: \u201cMpampianatra\u00a0\u00f4, nisy olona hitanay namoaka demonia tamin\u2019ny anaranao. Dia nanandrana nisakana azy izahay satria tsy namantsika izy.\u201d",
        "50": "Niteny taminy anefa i Jesosy hoe: \u201cAza mitady hisakana azy, fa izay tsy manohitra anareo dia manohana anareo.\u201d",
        "51": "Rehefa nihananakaiky ny fotoana hakana an\u2019i Jesosy hiakatra any an-danitra, dia tena tapa-kevitra ny ho any Jerosalema izy.",
        "52": "Koa naniraka olona hialoha azy izy. Dia lasa izy ireo ka niditra tao amin\u2019ny tan\u00e0nan\u2019ny Samaritanina, mba hanomana ny fahatongavany.",
        "53": "Tsy noraisin\u2019ny olona tao anefa i Jesosy, satria efa tapa-kevitra ny ho any Jerosalema izy.",
        "54": "Rehefa nahita an\u2019izany i Jakoba sy Jaona mpianatra, dia niteny hoe: \u201cTompo\u00a0\u00f4, tianao ve raha hiteny izahay mba hisy afo hilatsaka avy any an-danitra handringana an\u2019ireo?\u201d",
        "55": "Nitodika anefa izy ka niteny mafy azy roa lahy.",
        "56": "Dia lasa nankany amin\u2019ny tan\u00e0na kely hafa izy sy ny mpianany.",
        "57": "Rehefa teny an-dalana izy ireo, dia nisy olona niteny taminy hoe: \u201cHanaraka anao aho na aiza na aiza halehanao.\u201d",
        "58": "Hoy anefa i Jesosy: \u201cManan-davaka hisitrihana ny amboadia, ary manana akany ny voro-manidina, fa ny Zanak\u2019olona kosa tsy mba manana an\u2019izay hametrahany ny lohany.\u201d",
        "59": "Ary hoy izy tamin\u2019ny anankiray hafa: \u201cAndao hanara-dia ahy.\u201d Fa hoy ilay lehilahy: \u201cTompo\u00a0\u00f4, avelao aho aloha handeha handevina ny dadako.\u201d",
        "60": "Hoy anefa izy taminy: \u201cAvelao ny maty handevina ny maty, fa ianao kosa mandehana torio hatraiza hatraiza ny Fanjakan\u2019Andriamanitra.\u201d",
        "61": "Mbola nisy olon-kafa koa niteny hoe: \u201cHanaraka anao ihany aho, Tompo\u00a0\u00f4, fa avelao aloha aho hanao veloma ny ao an-tranoko.\u201d",
        "62": "Dia hoy i Jesosy: \u201cTsy misy olona mitazona angadinomby ary mitodika any aoriana, ka mendrika ny hiditra ao amin\u2019ny Fanjakan\u2019Andriamanitra.\u201d"
    },
    "10": {
        "1": "Nanendry mpianatra 70 koa ny Tompo taorian\u2019izany, ka naniraka azy ireo tsiroaroa hialoha azy any amin\u2019ny tan\u00e0na sy ny toerana rehetra izay mbola halehany.",
        "2": "Dia hoy izy tamin\u2019izy ireo: \u201cTena be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy. Iangavio \u00e0ry ny Tompon\u2019ny vokatra haniraka mpiasa hijinja ny vokatra.",
        "3": "Mandehana \u00e0ry! Maniraka anareo aho, ka ho toy ny zanak\u2019ondry eo afovoan\u2019ny amboadia ianareo.",
        "4": "Aza mitondra kitapom-bola na kitapom-batsy na kapa, ary aza miarahaba olona eny an-dalana.",
        "5": "Ary ao amin\u2019izay trano hidiranareo, dia mitenena aloha hoe: \u2018Ho amin\u2019ity trano ity anie ny fiadanana!\u2019",
        "6": "Raha misy zanaky ny fiadanana ao, dia hijanona ao aminy ny fiadananareo, fa raha tsy izany kosa, dia hiverina aminareo izany.",
        "7": "Koa mijan\u00f2na ao amin\u2019izany trano izany, ary hano sy sotroy izay omeny, fa mendrika hahazo ny karamany ny mpiasa. Aza mifindrafindra trano.",
        "8": "\u201cAry any amin\u2019izay tan\u00e0na hidiranareo, ka mandray anareo ny olona ao, dia hano izay arosony anareo,",
        "9": "sitrano ny marary ao, ary lazao aminy hoe: \u2018Efa manakaiky anareo ny Fanjakan\u2019Andriamanitra.\u2019",
        "10": "Fa rehefa miditra ao amin\u2019ny tan\u00e0na iray ianareo nefa tsy mandray anareo ny olona ao, dia mankanesa eny amin\u2019ny lalambeny, ary milaz\u00e0 hoe:",
        "11": "\u2018Na ny vovoky ny tan\u00e0nanareo izay manaraka ny tongotray aza, dia fafanay mba hiampanga anareo. Fantaro anefa fa manakaiky ny Fanjakan\u2019Andriamanitra.\u2019",
        "12": "Lazaiko aminareo fa ho mora kokoa ny hanjo an\u2019i Sodoma amin\u2019izany andro izany, noho ny hanjo an\u2019izany tan\u00e0na izany.",
        "13": "\u201cHahita loza ianao, ry\u00a0Korazina! Hahita loza ianao, ry\u00a0Betsaida! Raha tany Tyro sy Sidona mantsy no nanaovana an\u2019ireny fahagagana natao tao aminareo ireny, dia ho efa ela ry\u00a0zareo no nibebaka ka nipetraka nanao akanjo gony sy nihosina lavenona.",
        "14": "Koa ho mora kokoa ny hanjo an\u2019i Tyro sy Sidona amin\u2019ny fitsarana, noho ny hanjo anareo.",
        "15": "Ary ianao, ry\u00a0Kapernaomy, ianao ve dia hasandratra hatreny amin\u2019ny lanitra? Hidina any amin\u2019ny Fasana aza ianao!",
        "16": "\u201cIzay mihaino anareo, dia mihaino ahy. Ary izay tsy manaiky anareo, dia tsy manaiky ahy. Ary izay tsy manaiky ahy, dia tsy manaiky an\u2019Ilay naniraka ahy.\u201d",
        "17": "Faly ireo mpianatra 70 rehefa niverina, ka niteny hoe: \u201cTompo\u00a0\u00f4, na ny demonia aza manaiky anay rehefa mampiasa ny anaranao izahay.\u201d",
        "18": "Dia hoy i Jesosy tamin\u2019izy ireo: \u201cHitako fa efa nazera toy ny tselatra avy any an-danitra i Satana.",
        "19": "Efa nomeko fahefana hanitsaka bibilava sy maingoka ianareo, ka handresy ny hery rehetra ananan\u2019ilay fahavalo, ary tsy hisy haninona anareo mihitsy.",
        "20": "Na izany aza, dia aza mifaly satria hoe lasa manaiky anareo ny fanahy, fa mifalia kosa satria voasoratra any an-danitra ny anaranareo.\u201d",
        "21": "Tamin\u2019izay ora izay indrindra, dia faly be i Jesosy sady feno fanahy masina ka niteny hoe: \u201cRy\u00a0Ray, Tompon\u2019ny lanitra sy ny tany\u00a0\u00f4, midera anao eto imason\u2019ny olona rehetra aho, satria efa nafeninao tsara tamin\u2019ny hendry sy ny mahira-tsaina ireny zavatra ireny, fa nampahafantarinao tamin\u2019ny ankizikely kosa. Izany mihitsy mantsy no sitraponao, Ray\u00a0\u00f4!",
        "22": "Efa nomen\u2019ny Raiko ahy daholo ny zava-drehetra. Tsy misy mahafantatra ny Zanaka afa-tsy ny Ray, ary tsy misy mahafantatra ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian\u2019ny Zanaka hampahafantarina ny momba ny Ray.\u201d",
        "23": "Dia nitodika tany amin\u2019ny mpianatra izy, ka nilaza tamin\u2019izy ireo nitokana hoe: \u201cSambatra ny maso mahita an\u2019izay hitanareo.",
        "24": "Fa lazaiko aminareo fa be dia be ny mpaminany sy mpanjaka te hahita an\u2019izay hitanareo fa tsy nahita, ary te haheno an\u2019izay henonareo fa tsy naheno.\u201d",
        "25": "Ary nitsangana ny lehilahy iray nahay Lal\u00e0na, ka izao no nolazainy mba hitsapana azy: \u201cMpampianatra\u00a0\u00f4, inona no tokony hataoko mba handovako fiainana mandrakizay?\u201d",
        "26": "Dia hoy i Jesosy: \u201cInona no voasoratra ao amin\u2019ny Lal\u00e0na? Ahoana no fahazoanao azy?\u201d",
        "27": "Hoy ny navaliny: \u201c\u2018Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin\u2019ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo sy ny herinao manontolo ary ny sainao manontolo\u2019, ary \u2018tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.\u2019\u201d",
        "28": "Dia hoy i Jesosy: \u201cMarina ny valin-teninao. Izany foana atao dia hahazo ny fiainana ianao.\u201d",
        "29": "Te hanaporofo anefa ilay lehilahy hoe olo-marina izy, ka hoy izy tamin\u2019i Jesosy: \u201cFa iza marina moa no namako?\u201d",
        "30": "Dia namaly i Jesosy hoe: \u201cNisy lehilahy iray nidina avy tany Jerosalema ho any Jeriko. Ary notafihin\u2019ny jiolahy izy, ka nendahany sady novonovonoiny, dia nilaozany teo rehefa saika maty.",
        "31": "Ary nisy mpisorona sendra nidina tamin\u2019ilay lalana. Rehefa nahita azy anefa ilay mpisorona, dia niampita ary ny lalany ihany no nizorany.",
        "32": "Tonga teo amin\u2019ilay toerana koa ny Levita anankiray ka nahita azy. Niampita koa anefa izy, dia ny lalany ihany no nizorany.",
        "33": "Nisy Samaritanina iray kosa nandeha tamin\u2019ilay lalana, dia tonga teo aminy, ary nangoraka rehefa nahita azy.",
        "34": "Koa nanatona izy, ary nofeheziny ny ratrany sady nasiany menaka sy divay. Dia nataony teo ambony ampondrany izy, ka nentiny tany amin\u2019ny tranombahiny ary nokarakarainy.",
        "35": "Namoaka roa denaria izy ny ampitson\u2019iny, dia nomeny an\u2019ilay tompon\u2019ny tranombahiny. Ary hoy izy: \u2018Karakarao izy, ary raha mihoatra an\u2019ireto ny laninao, na ohatrinona na ohatrinona, dia haloako rehefa miverina aho.\u2019",
        "36": "Araka ny hevitrao, iza amin\u2019izy telo ireo no lasa naman\u2019ilay lehilahy notafihin\u2019ny jiolahy?\u201d",
        "37": "Hoy izy: \u201cIlay niantra azy.\u201d Dia hoy i Jesosy: \u201cMandehana \u00e0ry, dia mba manaova hoatr\u2019izany koa.\u201d",
        "38": "Dia nanohy ny diany izy ireo, ka niditra tao amin\u2019ny tan\u00e0na kely anankiray. Ary nisy vehivavy atao hoe Marta nampiantrano an\u2019i Jesosy.",
        "39": "Nanana rahavavy atao hoe Maria koa izy. Nipetraka teo an-tongotry ny Tompo i Maria, ka nihaino an\u2019izay nolazainy teo foana.",
        "40": "Fa i Marta kosa tsy nifantoka, satria nanao raharaha be dia be. Nanatona an\u2019i Jesosy \u00e0ry izy, dia niteny hoe: \u201cTompo\u00a0\u00f4, tsy mampaninona anao ve ny mahita ny rahavaviko mamela ahy irery hanao raharaha\u00a0be hoatr\u2019izao? Mba asaivo manampy ahy izy!\u201d",
        "41": "Fa namaly azy ny Tompo hoe: \u201cMarta\u00a0a! Marta\u00a0a! Be loatra ny zavatra mampiasa loha anao sady enjehinao daholo ity rehetra ity.",
        "42": "Zavatra vitsivitsy ihany anefa no ilaina, na mety hoe iray monja aza. Fa i Maria no nifidy ny tsara kokoa, ka tsy halaina aminy izany.\u201d"
    },
    "11": {
        "1": "Nivavaka tao amin\u2019ny toerana iray i Jesosy, indray mandeha. Ary rehefa avy nivavaka izy, dia hoy ny mpianany anankiray: \u201cTompo\u00a0\u00f4, mba ampianaro mivavaka izahay, hoatran\u2019ny nampianaran\u2019i Jaona ny mpianany.\u201d",
        "2": "Koa niteny tamin\u2019izy ireo izy hoe: \u201cIzao \u00e0ry lazaina rehefa mivavaka ianareo: \u2018Ray\u00a0\u00f4, hohamasinina anie ny anaranao! Ho tonga anie ny Fanjakanao!",
        "3": "Omeo anay isan\u2019andro izay sakafo ilainay isan\u2019andro.",
        "4": "Ary mamel\u00e0 ny helokay, fa izahay koa mba mamela an\u2019izay nanota taminay. Ary aza avela ho resin\u2019ny fakam-panahy izahay.\u2019\u201d",
        "5": "Hoy izy avy eo: \u201cAndao hatao hoe mana-namana ny iray aminareo, ary mandeha mankany amin\u2019ilay namany amin\u2019ny misasakalina, dia miteny aminy hoe: \u2018Mba ampisambory mofo\u00a0telo aho,",
        "6": "fa misy namako vao tonga avy nanao dia lavitra ao amiko, nefa tsy manana haroso azy aho.\u2019",
        "7": "Mamaly avy ao an-trano anefa ilay iray hoe: \u2018Aza helingelenina intsony aho! Efa mihidy ny varavarana, sady efa miaraka amiko eto am-pandriana ny zanako kely, dia tsy afaka mitsangana manome zavatra anao aho.\u2019",
        "8": "Lazaiko aminareo fa na tsy hitsangana hanome zavatra azy aza izy, amin\u2019ny maha mpinamana azy ireo, dia hitsangana ihany ka hanome an\u2019izay ilainy, satria be\u00a0fikirizana ilay namany.",
        "9": "Izao \u00e0ry ny teniko aminareo: Mangataha foana, dia homena ianareo. Mitadiava foana, dia hahita ianareo. Dond\u00f2ny foana, dia hovohana ianareo.",
        "10": "Fa izay mangataka no mahazo, ary izay mitady no mahita, ary izay mandond\u00f2na no hovohana.",
        "11": "Fa ray iza eo aminareo moa raha angatahan\u2019ny zanany trondro, no hanome azy bibilava fa tsy trondro?",
        "12": "Na raha angatahan\u2019ny zanany atody no hanome azy maingoka?",
        "13": "Koa raha ianareo, na dia ratsy fanahy aza, mahalala manome zavatra tsara ho an\u2019ny zanakareo, mainka fa ilay Ray any an-danitra! Tena hanome ny fanahy masina ho an\u2019izay mangataka aminy izy.\u201d",
        "14": "Taoriana kelin\u2019izay, dia namoaka demonia nahatonga ny lehilahy iray ho moana izy. Rehefa nivoaka ilay demonia dia lasa afaka niteny ilay lehilahy moana, ka gaga ny vahoaka.",
        "15": "Hoy anefa ny olona sasany: \u201cI Belzeboba lehiben\u2019ny demonia no ahavitany mamoaka demonia.\u201d",
        "16": "Ny hafa kosa nangataka famantarana taminy avy tany an-danitra, mba hitsapana azy.",
        "17": "Fantatr\u2019i Jesosy ny tao an-tsain\u2019izy ireo, ka hoy izy: \u201cHirodana izay fanjakana miady an-trano, ary ho rava izay fianakaviana miady an-trano.",
        "18": "Hoatr\u2019izany koa fa raha miady an-trano i Satana, dia ahoana no haharetan\u2019ny fanjakany? Milaza mantsy ianareo hoe i Belzeboba no ahavitako mamoaka demonia.",
        "19": "Raha amin\u2019ny alalan\u2019i Belzeboba no amoahako demonia, dia amin\u2019ny alalan\u2019iza \u00e0ry no amoahan\u2019ny zanakareo azy? Noho izany, dia ny zanakareo no hitsara anareo.",
        "20": "Fa raha ny rantsantanan\u2019Andriamanitra kosa no amoahako demonia, dia efa tonga ny Fanjakan\u2019Andriamanitra nefa tsy fantatrareo akory.",
        "21": "Raha matanjaka sy mirongo fiadiana ny lehilahy iray miambina ny lapany, dia ho voaro ny fananany.",
        "22": "Raha tonga manafika azy anefa ny olona iray matanjaka noho izy ka mandresy azy, dia ho lasan\u2019io daholo ny fitaovam-piadiana rehetra nitokisany, ka hozarazarain\u2019io izay zavatra nalainy teny aminy.",
        "23": "Izay tsy manohana ahy dia manohitra ahy, ary izay tsy miara-manangona amiko dia manaparitaka.",
        "24": "\u201cRehefa mivoaka avy ao amin\u2019ny olona iray ny fanahy maloto, dia mamakivaky toerana karakaina mba hitady toerana hialana sasatra. Ary rehefa tsy mahita izy, dia miteny hoe: \u2018Andeha hiverina any amin\u2019ilay trano nialako aho.\u2019",
        "25": "Rehefa tonga izy, dia hitany fa efa voafafa madio sady voaravaka ilay trano.",
        "26": "Dia lasa izy maka fanahy fito hafa ratsy noho izy. Dia miditra izy ireo ka mijanona ao. Koa ratsy noho ny tamin\u2019ny voalohany ny hiafaran\u2019ilay olona.\u201d",
        "27": "Raha mbola niteny an\u2019izany izy, dia nisy vehivavy avy tao amin\u2019ny vahoaka niteny mafy hoe: \u201cSambatra ny kibo izay nitondra anao, sy ny nono izay ninonoanao!\u201d",
        "28": "Fa hoy izy: \u201cTsy izany mihitsy, fa izay mihaino ny tenin\u2019Andriamanitra ka mankat\u00f2 an\u2019izany no sambatra!\u201d",
        "29": "Ary nihamaro ny vahoaka nitangorona, ka nanomboka niteny izy hoe: \u201cTaranaka ratsy fanahy ity taranaka ity. Mitady famantarana izy, nefa tsy hisy famantarana homena azy, afa-tsy ilay famantarana ny amin\u2019i Jona.",
        "30": "Lasa famantarana ho an\u2019ny mponin\u2019i Ninive mantsy i Jona, ka ho toy izany koa ny Zanak\u2019olona ho an\u2019ity taranaka ity.",
        "31": "Hiaraka hatsangana amin\u2019ny olona anisan\u2019ity taranaka ity ny mpanjakavavin\u2019ny atsimo amin\u2019ny Andro Fitsarana ka hanameloka an\u2019ireo. Avy any amin\u2019ny faran\u2019ny tany mantsy izy no tonga mba hihaino ny fahendren\u2019i Solomona. Misy lehibe noho i Solomona anefa eto.",
        "32": "Hiaraka hitsangana amin\u2019ity taranaka ity ny mponin\u2019i Ninive amin\u2019ny Andro Fitsarana ka hanameloka azy. Nibebaka mantsy izy ireo rehefa nitory taminy i Jona. Misy lehibe noho i Jona anefa eto.",
        "33": "Rehefa mandrehitra jiro ny olona, dia tsy mametraka an\u2019ilay izy any amin\u2019ny takona na ao ambany sobika, fa eo amin\u2019ny fitoeran-jiro, mba hahita hazavana ny olona miditra ao amin\u2019ilay efitra.",
        "34": "Ny masonao no jiron\u2019ny vatanao. Koa raha mifantoka tsara ny masonao, dia hazava tsara ny tenanao manontolo. Fa raha mitsiriritra kosa ny masonao, dia ho maizina ny tenanao.",
        "35": "Mitandrema \u00e0ry sao dia lasa haizina ny hazavana ao anatinao.",
        "36": "Koa raha mazava ny tenanao manontolo ka tsy misy maizina mihitsy, dia hazava toy ny hoe tarafin\u2019ny jiro ny tenanao manontolo.\u201d",
        "37": "Nangataka azy mba hiara-misakafo aminy ny Fariseo iray, rehefa avy niteny an\u2019izany izy. Dia niditra izy, ary naka toerana teo amin\u2019ny latabatra.",
        "38": "Gaga anefa ilay Fariseo rehefa nahita fa tsy nisasa izy talohan\u2019ny sakafo.",
        "39": "Fa hoy ny Tompo taminy: \u201cHoatran\u2019ny kaopy sy vilia madio ivelany ianareo Fariseo, nefa ao anatinareo ianareo tsy mety afa-po sady ratsy fanahy.",
        "40": "Ry\u00a0tsy misaina, tsy izay nanao ny anatiny ihany ve no nanao ny ivelany?",
        "41": "Fa izay ao am-ponareo no omeo mba hiantrana ny mahantra, dia hadio ny zava-drehetra momba anareo.",
        "42": "Fa hahita loza ianareo Fariseo, satria manome ny ampahafolon\u2019ny solila sy ny rota ary ny zavamaniry mani-pofona hafa rehetra ianareo, nefa tsy raharahianareo ny rariny sy ny fitiavana an\u2019Andriamanitra! Tsy maintsy omenareo ny ampahafolon\u2019ireny, nefa tsy maintsy ataonareo koa ireo zavatra hafa ireo.",
        "43": "Hahita loza ianareo Fariseo, satria tianareo ny toerana eny aloha ao amin\u2019ny synagoga sy ny hoarahabaina eny an-tsena!",
        "44": "Hahita loza ianareo, satria hoatran\u2019ny fasana tsy hita tsara ka hitsahin\u2019ny olona nefa tsy fantany akory!\u201d",
        "45": "Hoy ny navalin\u2019ny olona iray anisan\u2019ireo nahay Lal\u00e0na: \u201cMpampianatra\u00a0\u00f4, manala baraka anay koa izany teninao izany!\u201d",
        "46": "Fa hoy i Jesosy: \u201cHahita loza koa ianareo mahay Lal\u00e0na, satria ampitondrainareo entana sarotra entina ny olona, nefa ianareo tsy mikasika an\u2019izany na dia amin\u2019ny rantsantananareo anankiray aza!",
        "47": "\u201cHahita loza ianareo, satria manorina ny fasan\u2019ny mpaminany, nefa ny razambenareo no namono azy ireny!",
        "48": "Vavolombelona mahafantatra an\u2019izay nataon\u2019ny razambenareo tokoa ianareo, nefa mankasitraka an\u2019izany. Ireny mantsy no namono ny mpaminany, fa ianareo kosa no manorina ny fasany.",
        "49": "Izany koa no nahatonga an\u2019ilay Andriamanitra hendry hilaza hoe: \u2018Haniraka mpaminany sy apostoly any amin\u2019izy ireo aho. Hisy amin\u2019izy ireny hovonoiny sy henjehiny,",
        "50": "mba ho ity taranaka ity no ho tompon\u2019andraikitra amin\u2019ny ran\u2019ny mpaminany rehetra nalatsaka hatramin\u2019ny nanorenana izao tontolo izao,",
        "51": "nanomboka tamin\u2019ny ran\u2019i Abela ka hatramin\u2019ny ran\u2019i Zakaria, izay novonoina teo anelanelan\u2019ny alitara sy ny tranon\u2019Andriamanitra.\u2019 Lazaiko aminareo tokoa fa hatao tompon\u2019 andraikitra amin\u2019izany ity taranaka ity.",
        "52": "\u201cHahita loza ianareo mahay Lal\u00e0na, satria nalainareo ny lakilen\u2019ny fahalalana. Ianareo tsy niditra, nefa izay handeha hiditra tadiavinareo hosakanana!\u201d",
        "53": "Koa rehefa niala tao izy, dia nitambaran\u2019ny mpanora-dal\u00e0na sy ny Fariseo, ary nototofan\u2019izy ireo fanontaniana hafa be dia be.",
        "54": "Niandry kendry\u00a0tohina izy ireo, mba hamandrihana azy amin\u2019izay zavatra mety hoteneniny."
    },
    "12": {
        "1": "Nandritra an\u2019izany fotoana izany, dia vahoaka an\u2019arivony no tafangona ka nifanitsa-kitro. Dia nanomboka niteny tamin\u2019ny mpianany aloha izy hoe: \u201cMitandrema amin\u2019ny lalivain\u2019ny Fariseo, izany hoe ny fihatsarambelatsihiny.",
        "2": "Fa tsy misy zavatra tsara afina ka hoe tsy haharihary, na zava-miafina ka hoe tsy ho fantatra.",
        "3": "Ho re ao amin\u2019ny mazava \u00e0ry izay lazainareo ao amin\u2019ny maizina, ary hotorina eny an-tampon-trano izay bitsibitsihinareo ao amin\u2019ny efitranonareo.",
        "4": "Izao koa no lazaiko aminareo namako: Aza matahotra an\u2019izay mahavita mamono anareo ho faty, nefa avy eo tsy mahavita manao mihoatra noho izany akory.",
        "5": "Fa hatoroko anareo kosa izay tokony hatahoranareo: Matahora an\u2019Ilay manana fahefana hanipy any amin\u2019ny Gehena rehefa avy namono anareo ho faty. Averiko aminareo indray hoe matahora Azy.",
        "6": "Vola madinika kely anankiroa no ivarotana fody dimy, sa tsy izany? Na ny iray amin\u2019ireny aza anefa tsy misy hadinon\u2019Andriamanitra.",
        "7": "Fa na ny volon-dohanareo aza dia voaisa daholo. Aza matahotra fa mbola sarobidy lavitra noho ny fody be dia be ianareo.",
        "8": "\u201cLazaiko aminareo hoe: Izay manaiky eo imason\u2019ny olona hoe mpianatro, dia mba heken\u2019ny Zanak\u2019olona koa eo anatrehan\u2019ny anjelin\u2019Andriamanitra.",
        "9": "Fa izay tsy manaiky eo imason\u2019ny olona hoe mpianatro, dia tsy hekena koa eo anatrehan\u2019ny anjelin\u2019Andriamanitra.",
        "10": "Hahazo famelan-keloka izay maniratsira ny Zanak\u2019olona, fa tsy hahazo famelan-keloka kosa izay manevateva ny fanahy masina.",
        "11": "Rehefa entin\u2019ny olona eo anatrehan\u2019ny vahoaka sy ny mpitondra fanjakana ary ny manam-pahefana ianareo, dia aza manahy momba an\u2019izay holazainareo mba hiarovan-tena na ny fomba hilazanareo an\u2019izany na izay hoteneninareo.",
        "12": "Fa ny fanahy masina no hampianatra anareo an\u2019izay tokony holazainareo amin\u2019izany ora izany.\u201d",
        "13": "Ary nisy olona teo amin\u2019ny vahoaka niteny taminy hoe: \u201cMpampianatra\u00a0\u00f4, teneno ny rahalahiko mba hizara lova amiko.\u201d",
        "14": "Dia hoy i Jesosy: \u201cFa iza moa, ralehilahy, no nanendry ahy ho mpitsara na mpanelanelana anareo roa lahy?\u201d",
        "15": "Ary hoy izy tamin\u2019ny vahoaka: \u201cAoka ianareo ho mailo, ary mitandrema amin\u2019izay rehetra mety hahatonga anareo ho tsy mety afa-po, satria na manan-javatra be dia be aza ny olona, dia tsy miankina amin\u2019ny zavatra ananany ny ainy.\u201d",
        "16": "Ary nilaza fanoharana tamin\u2019izy ireo izy hoe: \u201cNamokatra be ny tanin\u2019ny lehilahy mpanankarena iray.",
        "17": "Nieritreritra \u00e0ry izy hoe: \u2018Tsy misy toerana itehirizako ny vokatro intsony, ka inona re no hataoko\u00a0e?\u2019",
        "18": "Dia hoy izy: \u2018Izao no hataoko: Horavako ireo trano fitehirizam-bokatro, ary hanorina hafa lehibe kokoa aho, ka ao no hitehirizako ny vokatro rehetra sy ny fananako rehetra.",
        "19": "Dia hilaza amin\u2019ny tenako aho hoe: \u201cIanao ange manana zavatra tsara be dia be efa notehirizinao\u00a0e, sady ampy mandritra ny taona maro ireo! Koa mial\u00e0 sasatra, mihin\u00e0na, misotroa, mifalia.\u201d\u2019",
        "20": "Fa hoy Andriamanitra taminy: \u2018Ry\u00a0tsy misaina, hisy hamono ianao anio alina, koa ho an\u2019iza ireo zavatra nangoninao?\u2019",
        "21": "Izany no hanjo ny olona manangona harena ho an\u2019ny tenany, nefa tsy mba manankarena eo imason\u2019Andriamanitra.\u201d",
        "22": "Dia hoy izy tamin\u2019ny mpianany: \u201cIzany no mahatonga ahy hilaza aminareo hoe: Aza manahy intsony ny amin\u2019ny ainareo, hoe inona no hohaninareo, na manahy momba ny vatanareo, hoe inona no hotafinareo.",
        "23": "Fa sarobidy noho ny sakafo ny aina, ary sarobidy noho ny fitafiana ny vatana.",
        "24": "Diniho ange ny goaika\u00a0e! Tsy mamafy na mijinja ireny, sady tsy manana sompitra na trano fitehirizam-bokatra, nefa manome sakafo azy Andriamanitra. Tsy sarobidy lavitra noho ny vorona ve ianareo?",
        "25": "Iza aminareo no mahay manalava ny androm-piainany, na dia kely aza, rehefa manahy?",
        "26": "Koa raha izany zavatra kely izany aza tsy hainareo, maninona ianareo no manahy ny amin\u2019ny zavatra hafa?",
        "27": "Diniho ange ny fanirin\u2019ny voninkazo e! Tsy miasa mafy na manao kofehy ireny, nefa lazaiko aminareo fa na i Solomona tao amin\u2019ny voninahiny rehetra aza tsy nitafy hoatran\u2019ny iray amin\u2019ireny.",
        "28": "Koa raha ny zavamaniry any an-tsaha aza ataon\u2019Andriamanitra mitafy tsara\u00a0tarehy hoatr\u2019izany, nefa androany ihany ireny no misy, fa rahampitso dia hatsipy any anaty afo, tsy mainka ve ianareo, ry\u00a0kely finoana!",
        "29": "Koa aza miady saina intsony hoe inona no hohaninareo na hosotroinareo, ary aza be fanahiana intsony.",
        "30": "Izany rehetra izany mantsy no tena tadiavin\u2019ny olona eo amin\u2019izao tontolo izao, nefa fantatry ny Rainareo fa ilainareo izany.",
        "31": "Katsaho foana kosa ny Fanjakany, dia homena anareo koa izany zavatra izany.",
        "32": "\u201cAza matahotra, ry ondry vitsy, fa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny Fanjakana.",
        "33": "Amidio ny fanananareo ka manomeza zavatra mba hiantrana ny mahantra. Ary fitoeram-bola tsy mety tonta no ataovy fitoeram-bolanareo, dia harena any an-danitra tsy mety lany, satria tsy tongan\u2019ny mpangalatra any sady tsy misy bibikely manimba.",
        "34": "Fa any amin\u2019izay misy ny harenanareo, dia ho any koa ny fonareo.",
        "35": "\u201cAnaovy ny akanjo ary miom\u00e0na, dia areheto ny jironareo.",
        "36": "Tokony ho toy ny mpanompo miandry ny tompony hiverina avy any amin\u2019ny fampakaram-bady ianareo. Amin\u2019izay rehefa tonga ilay tompony ka mandond\u00f2na, dia hosokafan\u2019izy ireo avy hatrany ny varavarana.",
        "37": "Sambatra ireo mpanompo hitan\u2019ny tompony hoe miambina rehefa tonga izy! Lazaiko marina aminareo fa hanao akanjo fitondra manao raharaha ilay tompony, ary asainy maka toerana eo amin\u2019ny latabatra ireo mpanompo ireo, dia ho avy izy hikarakara an\u2019ireo.",
        "38": "Na amin\u2019ny fiambenana faharoa ny tompony no tonga, na amin\u2019ny fiambenana fahatelo aza, ka mahita azy ireo vonona, dia sambatra ireo mpanompo ireo!",
        "39": "Tadidio anefa izao: Raha fantatry ny tompon-trano hoe amin\u2019ny firy no ho tonga ny mpangalatra, dia tsy ho navelany hovakina ny tranony.",
        "40": "Tokony ho vonona foana koa ianareo, satria amin\u2019ny ora tsy ampoizinareo no ho avy ny Zanak\u2019olona.\u201d",
        "41": "Dia hoy i Petera: \u201cTompo\u00a0\u00f4, izahay ihany ve no ilazanao an\u2019izany fanoharana izany sa ny rehetra koa?\u201d",
        "42": "Hoy ny Tompo: \u201cIza tokoa moa ilay mpanompo mendri-pitokisana sy malina, izay hotendren\u2019ny tompony hikarakara ny mpanompony hafa rehetra, mba hanome sakafo ampy ho azy ireo foana amin\u2019ny fotoana mety?",
        "43": "Sambatra izany mpanompo izany rehefa tonga ny tompony ka mahita azy manao an\u2019izany!",
        "44": "Lazaiko aminareo marina tokoa fa hotendreny hiandraikitra ny fananany rehetra izy.",
        "45": "Fa raha miteny anakampo kosa ilay mpanompo hoe: \u2018Mba ela koa izany tompoko izany vao tonga!\u2019 ka manomboka mikapoka ny mpanompolahy sy mpanompovavy izy, ary mihinana sy misotro ka mamo,",
        "46": "dia ho avy amin\u2019ny andro tsy ampoiziny sy amin\u2019ny ora tsy fantany ny tompony, ka hanasazy azy faran\u2019izay mafy ary handefa azy hiaraka amin\u2019ny olona tsy mendri-pitokisana.",
        "47": "Ary ho be dia be ny kapoka ho azon\u2019izany mpanompo izany, satria fantany ny sitrapon\u2019ny tompony nefa tsy niomana izy na nanao an\u2019izay nasainy natao.",
        "48": "Fa izay tsy nahalala ny sitrapon\u2019ny tompony kosa, nefa nanao zavatra tokony hikapohana azy, dia ho kely kokoa ny kapoka ho azony. Izay nomena betsaka dia hitakiana betsaka, ary izay nanankinana zavatra betsaka dia bebe kokoa noho ny mahazatra no hotakina aminy.",
        "49": "\u201cTonga handrehitra afo eto an-tany aho. Koa raha efa mirehitra ilay izy, inona indray moa no iriko mihoatra an\u2019izany?",
        "50": "Fa misy batisa tokony hanaovana batisa ahy, ary mitebiteby be aho mandra-pahavitan\u2019izany!",
        "51": "Mieritreritra ve ianareo hoe tonga mba hampisy fihavanana eto an-tany aho? Tsy izany mihitsy! Lazaiko aminareo fa tonga kosa aho mba hampisy fisaratsarahana.",
        "52": "Fa hisy olona dimy tsy hitovy saina ao amin\u2019ny trano iray manomboka izao, ka ny telo hanohitra ny roa, ary ny roa hanohitra ny telo.",
        "53": "Tsy hitovy saina izy ireo, ka ny ray hanohitra ny zanany lahy ary ny zanakalahy hanohitra ny rainy, ny reny hanohitra ny zanany vavy ary ny zanakavavy hanohitra ny reniny, ny rafozambavy hanohitra ny vinantovaviny ary ny vinantovavy hanohitra ny rafozambaviny.\u201d",
        "54": "Hoy koa izy tamin\u2019ny vahoaka: \u201cRehefa mahita rahona miakatra avy eny andrefana ianareo, dia tonga\u00a0dia miteny hoe: \u2018Ho avy\u00a0be ny orana.\u2019 Dia izany tokoa no mitranga.",
        "55": "Ary rehefa hitanareo fa mitsoka avy any atsimo ny rivotra, dia milaza ianareo hoe: \u2018Hafana\u00a0be ny andro.\u2019 Dia izany tokoa no mitranga.",
        "56": "Ry\u00a0mpihatsaravelatsihy! Hainareo ny mandinika ny toetoetry ny tany sy ny lanitra, koa maninona no tsy hainareo ny mandinika an\u2019izay mitranga amin\u2019izao fotoana izao?",
        "57": "Nahoana ianareo no tsy mamantatra hoe inona no tokony hataonareo?",
        "58": "Raha mankany amin\u2019ny manam-pahefana miaraka amin\u2019ilay mitory anao, ohatra, ianao, dia miezaha hifandamina aminy dieny mbola eny an-dalana ianareo. Amin\u2019izay dia tsy hampiantso anao ho eo anatrehan\u2019ny mpitsara izy, ary ny mpitsara tsy hanolotra anao amin\u2019ny mpanatanteraka didim-pitsarana, ary io indray tsy handefa anao any am-ponja.",
        "59": "Lazaiko aminao fa tsy ho tafavoaka any mihitsy ianao, raha tsy efa voaloanao hatramin\u2019ny vola madinika farany tokony haloanao.\u201d"
    },
    "13": {
        "1": "Tamin\u2019izay, dia nisy tamin\u2019ireo olona teo nitantara tamin\u2019i Jesosy momba an\u2019ireo Galilianina novonoin\u2019i Pilato. Nafangarony tamin\u2019ny sorona nataon\u2019ireo Galilianina ireo ihany ny ran\u2019izy ireo.",
        "2": "Niteny \u00e0ry i Jesosy hoe: \u201cMieritreritra ve ianareo hoe mpanota kokoa noho ny Galilianina hafa rehetra ireny, satria izany no nanjo azy?",
        "3": "Tsoriko aminareo fa tsy izany. Ho ringana hoatr\u2019azy ireo koa anefa ianareo rehetra raha tsy mibebaka.",
        "4": "Ary ireo olona 18 maty nianjeran\u2019ny tilikambo tao Siloama? Mieritreritra ve ianareo fa meloka kokoa noho ny mponina rehetra ao Jerosalema ireny?",
        "5": "Tsoriko aminareo fa tsy izany. Ho ringana hoatr\u2019azy ireo koa anefa ianareo rehetra raha tsy mibebaka.\u201d",
        "6": "Nilaza an\u2019izao fanoharana izao izy avy eo: \u201cNisy aviavy naniry tao amin\u2019ny tanimboaloboky ny lehilahy\u00a0iray. Dia tonga izy mba hitady voa tamin\u2019ilay izy, fa tsy nahita mihitsy.",
        "7": "Hoy \u00e0ry izy tamin\u2019ny mpikarakara tanimboaloboka: \u2018Efa telo\u00a0taona aho izao no tonga nitady voa tamin\u2019ity aviavy ity, fa tsy nahita mihitsy. Kapao any io! Maninona io no avela hibahan-toerana fotsiny eo, dia lasa tsy azo ampiasaina ny tany?\u2019",
        "8": "Fa hoy ilay mpikarakara tanimboaloboka: \u2018Avelao eo ihany izy aloha, tompoko, dia andrasantsika herintaona. Fa izaho hangady ny manodidina azy, sady hanisy zezika.",
        "9": "Koa raha mamoa izy, dia tsara! Fa raha tsy mamoa kosa izy, dia hokapaina ihany.\u2019\u201d",
        "10": "Ary nampianatra tao amin\u2019ny synagoga anankiray i Jesosy tamin\u2019ny Sabata.",
        "11": "Ary io fa nisy vehivavy nisy fanahy ratsy teo. Narary nandritra ny 18\u00a0taona izy noho io fanahy io, ka nanjoko\u00a0be ary tsy afa-nitraka mihitsy.",
        "12": "Niantso azy i Jesosy rehefa nahita azy, ka niteny hoe: \u201cRavehivavy, afaka amin\u2019ny aretinao ianao!\u201d",
        "13": "Dia nametra-tanana taminy izy, ka tonga\u00a0dia nitraka ilay vehivavy ary nanome voninahitra an\u2019Andriamanitra.",
        "14": "Tezitra anefa ny mpitantana an\u2019ilay synagoga noho i Jesosy nanasitrana tamin\u2019ny Sabata, ka hoy izy tamin\u2019ny vahoaka: \u201cEnina andro no natao hiasana, ka amin\u2019ireo andro ireo ianareo no tokony ho tonga hositranina, fa tsy amin\u2019ny andro sabata.\u201d",
        "15": "Namaly azy anefa ny Tompo hoe: \u201cRy\u00a0mpihatsaravelatsihy, tsy samy mamaha ny ombiny na ny ampondrany avy ve ianareo amin\u2019ny Sabata, dia mitondra azy hisotro rano?",
        "16": "Efa nafatotr\u2019i Satana nandritra ny 18\u00a0taona be izao koa ity vehivavy zanak\u2019i Abrahama ity. Koa tsy tokony hovahana ve izy mba tsy ho voafatotra hoatr\u2019izany intsony amin\u2019ny andro sabata?\u201d",
        "17": "Ary menatra daholo ny mpanohitra azy rehefa nilaza an\u2019izany izy. Fa faly kosa ny vahoaka manontolo noho ny zavatra mahagaga rehetra nataon\u2019i Jesosy.",
        "18": "Dia nilaza koa izy hoe: \u201cMitovy amin\u2019inona ny Fanjakan\u2019Andriamanitra, ary ohariko amin\u2019inona izy io?",
        "19": "Hoatran\u2019ny voan-tsinapy nalain\u2019olona izy io, ka namboleny tao an-jaridainany, ary naniry ka lasa hazo. Dia nanao akany teny amin\u2019ny sampany ny voro-manidina.\u201d",
        "20": "Ary hoy indray izy: \u201cOhariko amin\u2019inona ny Fanjakan\u2019Andriamanitra?",
        "21": "Hoatran\u2019ny lalivay nalain\u2019ny vehivavy iray izy io, ka nafangarony lafarinina intelon\u2019ny famarana lehibe mandra-pitombon\u2019ny koba manontolo.\u201d",
        "22": "Dia nandeha nitety tan\u00e0na sy vohitra izy, ka nampianatra sady nanohy ny diany ho any Jerosalema.",
        "23": "Ary hoy ny lehilahy iray taminy: \u201cTompo\u00a0\u00f4, vitsy ve ny hovonjena?\u201d Hoy i Jesosy tamin\u2019izy ireo:",
        "24": "\u201cMiezaha mafy hiditra amin\u2019ny varavarana tery, fa lazaiko aminareo hoe be dia be no hitady hiditra nefa tsy ho afaka.",
        "25": "Rehefa mitsangana mantsy ny tompon-trano ka manidy varavarana, dia ho tavela any ivelany ianareo ka handond\u00f2na ao am-baravarana sady hiteny hoe: \u2018Tompo\u00a0\u00f4! Mba vohay izahay.\u2019 Izao anefa no havaliny anareo: \u2018Tsy fantatro hoe avy aiza ianareo.\u2019",
        "26": "Dia hanomboka hilaza ianareo hoe: \u2018Nihinana sy nisotro niaraka taminao izahay, ary nampianatra teny an-dalambenay ianao.\u2019",
        "27": "Hilaza aminareo anefa izy hoe: \u2018Tsy fantatro hoe avy aiza ianareo. Mial\u00e0 eto amiko ianareo rehetra mpanao ny tsy marina!\u2019",
        "28": "Dia hitomany sy hihidy vazana ianareo, rehefa mahita an\u2019i Abrahama sy Isaka sy Jakoba ary ny mpaminany rehetra ao amin\u2019ny Fanjakan\u2019Andriamanitra, fa ianareo kosa voaroaka eny ivelany.",
        "29": "Ary ho tonga avy any atsinanana sy andrefana ary avy any avaratra sy atsimo ny olona, ka haka toerana eo amin\u2019ny latabatra ao amin\u2019ny Fanjakan\u2019Andriamanitra.",
        "30": "Ary misy ny farany ho voalohany, ary misy ny voalohany ho farany.\u201d",
        "31": "Tamin\u2019izay ora izay indrindra no nisy Fariseo nanatona an\u2019i Jesosy, ka niteny taminy hoe: \u201cMandehana miala eto, fa mitady hamono anao i Heroda.\u201d",
        "32": "Dia hoy izy tamin\u2019ireo: \u201cMandehana lazao amin\u2019iny amboadia fetsy iny hoe: \u2018Mandroaka demonia sy manasitrana olona aho anio sy rahampitso, ary ho vita ny asako rahafakampitso.\u2019",
        "33": "Na izany aza, dia tsy maintsy mandeha aho anio sy rahampitso ary rahafakampitso, satria tsy mety raha hoe vonoina any ivelan\u2019i Jerosalema ny mpaminany.",
        "34": "\u201cRy\u00a0Jerosalema, ry\u00a0Jerosalema, ilay mpamono ny mpaminany sy mpitora-bato an\u2019izay irahina ho any aminao! Impiry aho no te hanangona ny zanakao, hoatran\u2019ny reniakoho manangona ny zanany ao ambany elany, nefa tsy nety ianareo.",
        "35": "Dia avela ho anareo eo ny tranonareo! Lazaiko aminareo fa tsy hahita ahy intsony ianareo mandra-pilazanareo hoe: \u2018Hotahina anie ilay tonga amin\u2019ny anaran\u2019i Jehovah!\u2019\u201d"
    },
    "14": {
        "1": "Nandeha nisakafo tao an-tranon\u2019ny anankiray tamin\u2019ny lehiben\u2019ny Fariseo i Jesosy, indray Sabata, ary nijery azy tsara ny olona tao.",
        "2": "Ary io fa nisy lehilahy voan\u2019ny aretina manirano teo anoloan\u2019i Jesosy.",
        "3": "Nanontanian\u2019i Jesosy \u00e0ry ireo nahay Lal\u00e0na sy ny Fariseo hoe: \u201cAzo atao sa tsia ny manasitrana amin\u2019ny Sabata?\u201d",
        "4": "Tsy niteny tsy nivolana anefa izy ireo. Koa nataon\u2019i Jesosy teo amin\u2019ilay lehilahy ny tanany ary nositraniny izy, dia nasainy nandeha.",
        "5": "Hoy izy avy eo: \u201cRaha latsaka ao anaty lavadrano ny zanakareo na ny ombinareo, dia iza aminareo no tsy hisintona azy hivoaka avy\u00a0hatrany, na dia Sabata aza ny andro?\u201d",
        "6": "Koa tsy nahita havaly izy ireo.",
        "7": "Dia nilaza fanoharana tamin\u2019ireo nasaina izy, rehefa tsikariny fa nifidy ny toerana mihaja indrindra izy ireo. Hoy izy:",
        "8": "\u201cRehefa misy manasa anao hanatrika fanasambe amin\u2019ny fampakaram-bady, dia aza maka ny toerana mihaja indrindra. Mety ho nanasa olona manan-kaja kokoa noho ianao mantsy izy.",
        "9": "Dia hankeo aminao ilay nanasa anareo, ka hiteny hoe: \u2018Omeo an\u2019ity olona ity ny toeranao.\u2019 Dia ho menatra ianao hifindra any amin\u2019ny toerana aoriana indrindra.",
        "10": "Fa rehefa misy manasa anao kosa, dia mandehana maka ny toerana aoriana indrindra. Amin\u2019izay rehefa tonga ilay nanasa anao, dia hiteny aminao hoe: \u2018Tsy aleo ianao, ry namana, mandroso etsy aloha kokoa?\u2019 Dia hahazo voninahitra eo imason\u2019ireo rehetra niara-nasaina taminao ianao.",
        "11": "Fa izay manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra.\u201d",
        "12": "Hoy koa izy tamin\u2019ilay nanasa azy: \u201cRehefa manasa olona hisakafo antoandro na hisakafo hariva ianao, dia aza ny namanao na ny rahalahinao na ny havanao na ny mpiara-monina aminao manankarena no asaina. Mety hanasa anao koa mantsy ry\u00a0zareo, ka ho voavaly izay nataonao.",
        "13": "Fa ny mahantra sy ny kilemaina sy ny malemy tongotra ary ny jamba kosa no asao, rehefa misy fanasana ataonao.",
        "14": "Amin\u2019izay dia ho sambatra ianao, satria tsy manan-kavaly anao ireo. Ary hovaliana ianao amin\u2019ny fitsanganan\u2019ny marina.\u201d",
        "15": "Naheno an\u2019izany ny iray tamin\u2019ireo nasaina, ka hoy izy tamin\u2019i Jesosy: \u201cSambatra izay misakafo ao amin\u2019ny Fanjakan\u2019Andriamanitra.\u201d",
        "16": "Dia hoy i Jesosy taminy: \u201cNisy lehilahy nanao fanasambe, dia nanasa olona be dia be.",
        "17": "Naniraka ny mpanompony izy tamin\u2019ny fotoanan\u2019ny sakafo hariva mba hilaza tamin\u2019ireo nasaina hoe: \u2018Tongava fa efa vonona ny zava-drehetra.\u2019",
        "18": "Samy nitady fialan-tsiny anefa izy rehetra. Ny voalohany niteny hoe: \u2018Nividy saha aho, dia mila mandeha mijery an\u2019ilay izy. Mba ialao tsiny any re aho\u00a0e!\u2019",
        "19": "Ny iray nilaza hoe: \u2018Nividy omby folo aho, dia handeha handinika azy ireo. Mba ialao tsiny any re aho\u00a0e!\u2019",
        "20": "Nilaza koa ny anankiray hafa hoe: \u2018Vao avy nampaka-bady aho, dia tsy afaka mankany.\u2019",
        "21": "Nankany amin\u2019ilay tompony \u00e0ry ilay mpanompo ka nitantara an\u2019izany taminy. Dia tezitra ilay tompon-trano, ka hoy izy tamin\u2019ilay mpanompony: \u2018Mandehana haingana eny an-dalambe sy eny amin\u2019ny lalankely eto an-tan\u00e0na, dia ento at\u1ef3 ny mahantra sy ny kilemaina sy ny jamba ary ny malemy tongotra.\u2019",
        "22": "Rehefa tafaverina ilay mpanompo, dia hoy izy: \u2018Vita izay nasainao natao, tompoko, nefa mbola misy toerana.\u2019",
        "23": "Dia hoy ilay tompony: \u2018Mandehana mankeny amin\u2019ny lalana any ivelan\u2019ny tan\u00e0na, dia ataovy izay hahatongavan\u2019ny olona mba ho feno ny tranoko.",
        "24": "Fa lazaiko aminareo fa tsy hisy amin\u2019ireny nasaina ireny hanandrana ny sakafo hariva nomaniko.\u2019\u201d",
        "25": "Ary nisy vahoaka be niaraka tamin\u2019i Jesosy, dia nitodika i Jesosy ka hoy izy tamin\u2019izy ireo:",
        "26": "\u201cRaha misy manatona ahy nefa tsy mankahala ny rainy sy ny reniny sy ny vadiny sy ny zanany sy ny rahalahiny sy ny anabaviny, ary na ny ainy mihitsy aza, dia tsy afaka ny ho mpianatro izy.",
        "27": "Izay tsy mitondra ny hazo fijaliany ka tsy manaraka ahy, dia tsy afaka ny ho mpianatro.",
        "28": "Iza aminareo, ohatra, raha te hanorina tilikambo, no tsy mipetraka aloha manao kajy hoe ohatrinona no ho lany, mba hahitana raha manana ny ampy hamitana an\u2019ilay izy na tsia?",
        "29": "Raha tsy manao an\u2019izany izy, dia mety hametraka ny fototra nefa tsy ho afaka hamita an\u2019ilay tilikambo. Dia haneso azy izay rehetra mahita an\u2019izany,",
        "30": "ka hiteny hoe: \u2018Io olona io nanomboka nanorina tilikambo, nefa tsy nahavita an\u2019ilay izy hatramin\u2019ny farany akory.\u2019",
        "31": "Ary iza no mpanjaka handeha hiady amin\u2019ny mpanjaka hafa, ka tsy mipetraka aloha maka hevitra raha ho vitany na tsia ny hifanandrina amin\u2019ilay manana miaramila 20 000, nefa ny azy 10\u00a0000 monja?",
        "32": "Raha tsy ho vitany ny hifanandrina aminy, dia haniraka ambasadaoro hanao raharaham-pihavanana izy, dieny mbola lavitra ilay iray.",
        "33": "Toy izany koa fa tsy afaka ny ho mpianatro izay tsy mahafoy ny fananany rehetra.",
        "34": "\u201cTsara tokoa ny sira, nefa raha ny sira indray no lasa matsatso, dia inona no hamerenana ny tsirony?",
        "35": "Tsy mety hatao amin\u2019ny tany na amin\u2019ny zezika ilay izy, ka arian\u2019ny olona fotsiny. Izay manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino.\u201d"
    },
    "15": {
        "1": "Ary tonga nitangorona teo amin\u2019i Jesosy ny mpamory hetra sy ny mpanota rehetra mba hihaino azy.",
        "2": "Dia nimenomenona ny Fariseo sy ny mpanora-dal\u00e0na hoe: \u201cMandray tsara an\u2019ireo mpanota ilehity sady miara-mihinana aminy.\u201d",
        "3": "Dia nilaza an\u2019izao fanoharana izao tamin\u2019izy ireo i Jesosy:",
        "4": "\u201cIza aminareo moa raha manana ondry 100 ka very ny iray, no tsy hamela ny 99 any an-tany efitra, dia handeha hitady an\u2019ilay very mandra-pahitany azy?",
        "5": "Ary rehefa hitany ilay izy, dia hataony eo an-tsorony sady ho faly izy.",
        "6": "Dia hovoriny ny namany sy ny mpiara-monina aminy rehefa tonga any an-tranony izy, ka hilazany hoe: \u2018Miaraha mifaly amiko, fa efa hitako ilay ondriko very.\u2019",
        "7": "Lazaiko aminareo koa fa hahafaly kokoa ny any an-danitra ny mpanota iray mibebaka, noho ny olo-marina 99 tsy mila mibebaka.",
        "8": "\u201cAry iza moa no vehivavy manam-bola madinika drakma folo ka very ny anankiray, no tsy handrehitra jiro sy hamafa trano ka hitady tsara an\u2019ilay izy mandra-pahitany azy?",
        "9": "Rehefa hitany ilay izy, dia hovoriny ny namany sy ny mpiara-monina aminy, ka hilazany hoe: \u2018Miaraha mifaly amiko, fa efa hitako ilay vola very.\u2019",
        "10": "Lazaiko aminareo fa faly hoatr\u2019izany koa ny anjelin\u2019Andriamanitra, rehefa misy mpanota iray mibebaka.\u201d",
        "11": "Hoy izy avy eo: \u201cNisy lehilahy nanan-janaka roa lahy.",
        "12": "Dia hoy ilay zandriny tamin-drainy: \u2018Dada\u00a0a, omeo ahy ny anjara fananana tokony ho ahy.\u2019 Koa nozarain-drainy tamin\u2019izy roa lahy ny fananany.",
        "13": "Rehefa afaka andro vitsivitsy, dia nangonin\u2019ilay zandriny ny fananany rehetra, ary lasa nankany an-tany lavitra izy. Naditra\u00a0be mihitsy izy tany, ka lanilany foana ny fananany.",
        "14": "Rehefa laniny daholo ny fananany, dia nisy mosary mafy nanerana an\u2019ilay tany ka lasa nahantra izy.",
        "15": "Lasa mihitsy aza izy nankany amin\u2019ny tompon-tany anankiray tao amin\u2019izany tany izany, ka nisisika hiasa tao aminy. Koa nirahin\u2019izy io hiandry kisoa tany an-tsaha izy.",
        "16": "Tena tiany raha mba vokin\u2019ny hanin-kisoa izy. Tsy nisy nanome azy na inona na inona anefa.",
        "17": "\u201cDia tonga saina izy, ka niteny hoe: \u2018Be dia be er\u1ef3 izao ny olona karamain\u2019i Dada no tsy ory sakafo, nefa izaho ity ho faty mosary eto!",
        "18": "Handeha hiverina any amin\u2019ny raiko aho, dia hiteny aminy hoe: \u201cDada\u00a0a, efa nanota tamin\u2019ny lanitra sy taminao aho.",
        "19": "Tsy mendrika ny hantsoina hoe zanakao intsony aho, fa mba ataovy hoatran\u2019ny iray amin\u2019ireo olona karamainao.\u201d\u2019",
        "20": "Dia niainga izy ka nankany amin\u2019ny rainy. Mbola lavitra anefa izy, dia efa tazan\u2019ny rainy. Nangoraka azy ny rainy dia nihazakazaka ary namihina azy sady nanoroka azy tamim-pitiavana.",
        "21": "Dia hoy ilay zanany taminy: \u2018Dada\u00a0a, efa nanota tamin\u2019ny lanitra sy taminao aho. Tsy mendrika ny hantsoina hoe zanakao intsony aho.\u2019",
        "22": "Fa hoy ny rainy tamin\u2019ny mpanompony: \u2018Mandehana haingana! Mak\u00e0 akanjo lava, ilay tsara indrindra, dia ampanaovy azy, ary asio peratra ny tanany dia asio kapa ny tongony.",
        "23": "Alaivo koa ilay zanak\u2019omby mifahy, dia vonoy. Ary andao isika hihinana sy hanao fety,",
        "24": "satria efa maty ity zanako ity nefa velona indray, ary efa very nefa hita indray.\u2019 Dia nanomboka nifaly izy ireo.",
        "25": "\u201cTany an-tsaha ilay zokiny tamin\u2019izay. Rehefa nody izy ka tonga teny akaikin\u2019ny trano, dia naheno mozika sy olona nandihy.",
        "26": "Koa niantso mpanompo anankiray izy, dia nanontany azy hoe inona no nitranga.",
        "27": "Hoy ilay mpanompo: \u2018Tonga ny rahalahinao, dia namono an\u2019ilay zanak\u2019omby mifahy ny rainao, satria tafaverina eto aminy izy sady salama tsara.\u2019",
        "28": "Tezitra anefa ilay zokiny, ka tsy nety niditra. Dia nivoaka ny rainy ka niangavy azy mba handroso.",
        "29": "Hoy anefa izy tamin\u2019ny rainy: \u2018Hitanao! Taona maro izay no nanompoako anao, ary mbola tsy nandika ny didinao mihitsy aho, na indray mandeha aza. Mbola tsy nanome ahy zanak\u2019osy iray akory anefa ianao, na indray mandeha aza, mba hifalifaliako miaraka amin\u2019ny namako.",
        "30": "Fa raha vao tonga kosa io zanakao io, izay nandanilany ny fanananao tamin\u2019ny mpivaro-tena, dia namonoanao an\u2019ilay zanak\u2019omby mifahy.\u2019",
        "31": "Dia hoy ny rainy: \u2018Ianao ange, anaka, teto amiko foana\u00a0e! Ary anao daholo izay rehetra ananako!",
        "32": "Tsy maintsy manao fety sy mifaly anefa isika, satria efa maty io rahalahinao io nefa velona indray, ary efa very nefa hita indray.\u2019\u201d"
    },
    "16": {
        "1": "Hoy koa i Jesosy tamin\u2019ny mpianany: \u201cNisy lehilahy manankarena nanana mpanompo iray niandraikitra ny tao an-tranony. Ary nisy niampanga izy io hoe nandanilany ny fananan\u2019ny tompony.",
        "2": "Koa niantso azy ilay tompony, dia niteny hoe: \u2018Inona izany henoko momba anao izany? Omeo ahy ny tatitra momba ny asa nankinina taminao, fa tsy hiandraikitra ny ato an-tranoko intsony ianao.\u2019",
        "3": "Dia nieritreritra ilay mpanompo hoe: \u2018Inona re no hataoko\u00a0e? Hesorin\u2019ny tompoko tsy ho mpiandraikitra ny fananany aho izao. Ny miasa tany anefa tsy vitako fa kely aina aho; ny mangataka koa mahamenatra ahy.",
        "4": "Ah! Hitako ny hataoko mba hisy olona handray ahy ho ao an-tranony, rehefa voaroaka aho.\u2019",
        "5": "Dia nantsoiny tsirairay ireo olona nananan\u2019ny tompony trosa, ka hoy izy tamin\u2019ilay voalohany: \u2018Inona no ananan\u2019ny tompoko aminao?\u2019",
        "6": "Namaly izy hoe: \u2018Menak\u2019oliva injaton\u2019ny bata.\u2019 Dia hoy ilay mpanompo: \u2018Alaivo ilay taratasy fifanekena nataonao, ary mipetraha dia soraty haingana hoe 50.\u2019",
        "7": "Avy eo, dia hoy izy tamin\u2019ny iray hafa: \u2018Ary ianao, inona no ananany aminao?\u2019 Dia namaly ilay olona hoe: \u2018Varimbazaha injaton\u2019ny kora.\u2019 Koa niteny taminy izy hoe: \u2018Alaivo ilay taratasy fifanekena nataonao, dia soraty hoe 80.\u2019",
        "8": "Ary noderain\u2019ny tompony ilay mpanompo, na dia nanao ny tsy marina aza, satria malina. Fa hita hoe malina kokoa noho ny zanaky ny mazava ny zanak\u2019izao tontolo izao, rehefa mifampiraharaha amin\u2019ny mpiara-belona aminy.",
        "9": "\u201cIzao koa no lazaiko aminareo: Ataovy izay hahazoana namana amin\u2019ny alalan\u2019ny harena tsy marina, mba horaisin\u2019ireny namana ireny any amin\u2019ny fonenana mandrakizay ianareo rehefa lany izany harena izany.",
        "10": "Izay mendri-pitokisana amin\u2019ny zavatra kely dia mendri-pitokisana koa amin\u2019ny zavatra lehibe, ary izay tsy marina amin\u2019ny zavatra kely dia tsy marina koa amin\u2019ny zavatra lehibe.",
        "11": "Koa raha tsy asehonareo hoe mendri-pitokisana ianareo rehefa mampiasa harena tsy marina, iza no hanankina aminareo ny tena harena?",
        "12": "Ary raha tsy asehonareo hoe mendri-pitokisana ianareo amin\u2019izay ataonareo amin\u2019ny zavatr\u2019olona, iza no hanome zavatra ho anareo?",
        "13": "Tsy misy mpanompo mahavita manompo tompo roa, fa ny iray ho halany ary ny iray ho tiany, na ny iray hifikirany ary ny iray hataony tsinontsinona. Tsy mahavita manompo an\u2019Andriamanitra sy ny Harena ianareo.\u201d",
        "14": "Nihaino an\u2019izany rehetra izany ny Fariseo tia\u00a0vola, ka naneso an\u2019i Jesosy.",
        "15": "Koa niteny tamin\u2019izy ireo i Jesosy hoe: \u201cIanareo milaza ny tenanareo ho marina eo anatrehan\u2019ny olona, nefa fantatr\u2019Andriamanitra ny fonareo. Fa izay heverin\u2019ny olona ho ambony, dia maharikoriko eo imason\u2019Andriamanitra.",
        "16": "\u201cHatreo amin\u2019i Jaona ihany ny Lal\u00e0na sy ny Mpaminany. Fa nanomboka teo dia ny Fanjakan\u2019Andriamanitra no vaovao tsara torina amin\u2019ny olona, ary misisika mafy ho ao ny karazan\u2019olona rehetra.",
        "17": "Ho mora kokoa ny hahalevona ny lanitra sy ny tany, noho ny hoe tsy ho tanteraka ny tendron-tsoratra iray ao amin\u2019ny Lal\u00e0na.",
        "18": "\u201cManitsakitsa-bady izay lehilahy misaraka amin\u2019ny vadiny ka manambady olon-kafa. Ary izay manambady vehivavy nisarahan\u2019ny vadiny, dia manitsakitsa-bady.",
        "19": "\u201cNisy lehilahy iray mpanankarena nanao akanjo vita tamin\u2019ny lamba volomparasy sy rongony. Nifalifaly foana izy isan\u2019andro, sady nanaram-po nanao izay nahafinaritra azy.",
        "20": "Nisy mpangataka atao hoe Lazarosy kosa napetraka teo am-bavahadiny. Feno fery izy io.",
        "21": "Mba te hihinana an\u2019izay sakafo latsaka avy tamin\u2019ny latabatr\u2019ilay mpanankarena izy. Na ny alika aza tonga hilelaka ny feriny.",
        "22": "Tat\u1ef3 aoriana, dia maty ilay mpangataka, ary nentin\u2019ny anjely ho eo akaikin\u2019i Abrahama. \u201cMaty koa ilay mpanankarena ka nalevina.",
        "23": "Raha iny izy nijalijaly tao amin\u2019ny Fasana iny, dia nitraka izy ka nahita an\u2019i Abrahama ter\u1ef3 lavitra ter\u1ef3, sy Lazarosy teo akaikiny.",
        "24": "Koa niantso izy hoe: \u2018Abrahama raiko\u00a0\u00f4, mamindr\u00e0 fo amiko! Mba iraho i Lazarosy hanatsoboka ny tendron\u2019ny rantsantanany ao anaty rano mba hampangatsiatsiaka ny lelako, fa mijaly aho ato amin\u2019ity afo miredareda ity.\u2019",
        "25": "Fa hoy i Abrahama: \u2018Tadidio, anaka, fa efa azonao daholo ny zava-tsoa rehetra nirinao, nandritra ny androm-piainanao. I Lazarosy kosa feno fahoriana ny fiainany. Izao anefa izy ampiononina at\u1ef3, fa ianao kosa mijaly.",
        "26": "Sady efa nasiana hantsana\u00a0be koa ange hampisaraka anay aminareo\u00a0e, mba tsy ho afaka hankany aminareo izay te hiala at\u1ef3, ary tsy ho afaka hiampita mankat\u1ef3 aminay ny any.\u2019",
        "27": "Dia hoy izy: \u2018Raha izany no izy, dia mba mangataka aminao aho, ray\u00a0\u00f4, mba haniraka an\u2019i Lazarosy ho any an-tranon\u2019ny raiko.",
        "28": "Manana rahalahy dimy mantsy aho, ka iraho izy hanazava tsara amin-dry\u00a0zareo, sao ho lasa at\u1ef3 amin\u2019ity toeram-pijaliana ity koa ry\u00a0zareo.\u2019",
        "29": "Fa hoy i Abrahama: \u2018Manana an\u2019i Mosesy sy ny Mpaminany ry\u00a0zareo. Aoka izy hihaino an\u2019ireo.\u2019",
        "30": "Dia hoy izy: \u2018Tsy hihaino ry\u00a0zareo, ry\u00a0Abrahama ray\u00a0\u00f4! Fa raha misy avy amin\u2019ny maty mankany aminy, dia hibebaka ry\u00a0zareo.\u2019",
        "31": "Hoy anefa i Abrahama: \u2018Raha tsy mihaino an\u2019i Mosesy sy ny Mpaminany ry\u00a0zareo, dia tsy ho resy lahatra na dia misy mitsangana amin\u2019ny maty aza.\u2019\u201d"
    },
    "17": {
        "1": "Ary hoy i Jesosy tamin\u2019ny mpianany: \u201cTsy maintsy hisy toe-javatra mahatafintohina, kanefa hahita loza izay olona mahatonga an\u2019izany!",
        "2": "Aleo aza hanantonana vato lehibe fikosoham-bary eo amin\u2019ny vozon\u2019izany olona izany, dia hatsipy any an-dranomasina izy, toy izay hanafintohina ny iray amin\u2019ireny madinika ireny.",
        "3": "Koa mitandrema ianareo. Teneno mafy ny rahalahinao raha manota, ka raha mibebaka izy dia mamel\u00e0 azy.",
        "4": "Fa na manota aminao impito aza izy ao anatin\u2019ny indray andro, ka miverina impito eo aminao ary miteny hoe: \u2018Mifona aho\u2019, dia tsy maintsy mamela azy ianao.\u201d",
        "5": "Hoy ny apostoly tamin\u2019ny Tompo: \u201cAmpitomboy ny finoanay.\u201d",
        "6": "Dia hoy ny Tompo: \u201cRaha manana finoana ianareo, na faran\u2019izay kely hoatran\u2019ny voan-tsinapy aza, ary hiteny amin\u2019itsy voaroihazo itsy hoe: \u2018Miongota ary maniria any an-dranomasina!\u2019, dia hankat\u00f2 anareo izy.",
        "7": "\u201cAndao hatao hoe manana mpanompo miasa tany na miandry ondry ianareo. Rehefa mody avy any an-tsaha izy, dia iza aminareo no hilaza aminy hoe: \u2018Avia, tonga\u00a0dia mipetraha hisakafo eo amin\u2019ny latabatra\u2019?",
        "8": "Tsy hiteny aminy kosa ve izy hoe: \u2018Karakarao ny sakafo harivako, ary anaovy ny aron\u2019akanjonao dia rosoy sakafo aho, ary rehefa avy mihinana sy misotro aho, dia mahazo mihinana sy misotro koa ianao\u2019?",
        "9": "Tsy hankasitraka an\u2019ilay mpanompo izy, satria izay nasainy natao fotsiny no nataon\u2019izy io, sa tsy izany?",
        "10": "Hoatr\u2019izany koa fa rehefa vitanareo izay rehetra nasaina nataonareo, dia izao lazaina: \u2018Izahay ange mpanompo fotsiny ihany\u00a0e! Izay tokony ho nataonay ihany no nataonay.\u2019\u201d",
        "11": "Nandalo teo anelanelan\u2019i Samaria sy Galilia izy, rehefa nankany Jerosalema.",
        "12": "Rehefa niditra tao amin\u2019ny tan\u00e0na kely iray izy, dia nisy boka folo lahy nifanena taminy. Nijoro teny lavidavitra teny izy ireo,",
        "13": "ary niantso mafy hoe: \u201cRy\u00a0Jesosy Mpampianatra\u00a0\u00f4, mba iantrao izahay!\u201d",
        "14": "Rehefa nahita azy\u00a0ireo izy, dia niteny hoe: \u201cMandehana miseho any amin\u2019ny mpisorona.\u201d Dia lasa izy ireo, ka nadio raha mbola teny an-dalana.",
        "15": "Rehefa hitan\u2019ny anankiray fa sitrana izy, dia lasa izy niverina ka nanome voninahitra an\u2019Andriamanitra tamin\u2019ny feo avo.",
        "16": "Dia niankohoka teo an-tongotr\u2019i Jesosy izy, ka nisaotra azy. Samaritanina izy io.",
        "17": "Koa niteny i Jesosy hoe: \u201cTsy efa voadio daholo moa izy folo? Fa aiza ny sivy?",
        "18": "Dia tsy mba nisy niverina hanome voninahitra an\u2019Andriamanitra afa-tsy ity hafa firenena ity ve?\u201d",
        "19": "Hoy izy avy eo: \u201cMitsang\u00e0na dia mandehana. Ny finoanao no nahasitrana anao.\u201d",
        "20": "Ary nanontanian\u2019ny Fariseo i Jesosy hoe rahoviana no ho tonga ny Fanjakan\u2019Andriamanitra. Dia namaly izy hoe: \u201cTsy miharihary ny fahatongavan\u2019ny Fanjakan\u2019Andriamanitra,",
        "21": "ary tsy hisy koa hilaza hoe: \u2018At\u1ef3!\u2019 na \u2018Ar\u1ef3!\u2019 Fa eo afovoanareo ny Fanjakan\u2019Andriamanitra.\u201d",
        "22": "Hoy izy tamin\u2019ny mpianany avy eo: \u201cHo avy ny andro hanirianareo hahita ny anankiray amin\u2019ny andron\u2019ny Zanak\u2019olona, fa tsy hahita ianareo.",
        "23": "Ary hilaza aminareo ny olona hoe: \u2018Ar\u1ef3!\u2019 na \u2018At\u1ef3!\u2019, nefa aza mandeha na manaraka azy.",
        "24": "Fa toy ny tselatra manazava ny faritra iray amin\u2019ny lanitra ka hatrany amin\u2019ny faritra hafa amin\u2019ny lanitra, dia ho toy izany koa ny Zanak\u2019olona amin\u2019ny androny.",
        "25": "Tsy maintsy hampijalijalina anefa aloha izy, ary holavin\u2019ity taranaka ity.",
        "26": "Ary hoatran\u2019izay nitranga tamin\u2019ny andron\u2019i Noa no hitranga koa amin\u2019ny andron\u2019ny Zanak\u2019olona:",
        "27": "Nihinana ny olona, nisotro, nampaka-bady sy navoaka hampakarina, mandra-pahatongan\u2019ilay andro nidiran\u2019i Noa tao amin\u2019ny sambofiara. Ary tonga ny Safodrano ka nandringana azy rehetra.",
        "28": "Dia hoatran\u2019izay nitranga tamin\u2019ny andron\u2019i Lota koa: Nihinana ny olona, nisotro, nividy, nivarotra, namboly, ary nanorina trano.",
        "29": "Fa tamin\u2019ny andro nivoahan\u2019i Lota avy tao Sodoma, dia nilatsaka toy ny orana ny afo sy solifara avy tany an-danitra, ka nandringana azy rehetra.",
        "30": "Dia ho toy izany koa amin\u2019ny andro hampiharihariana ny Zanak\u2019olona.",
        "31": "\u201cAmin\u2019izany andro izany, dia tsy tokony hidina haka ny entany ao an-trano izay any an-tampon-trano, ary tsy tokony hiverina any amin\u2019izay efa nilaozany koa izay any an-tsaha.",
        "32": "Tsarovy ny vadin\u2019i Lota.",
        "33": "Izay miezaka hiaro ny ainy no hamoy an\u2019izany, fa izay mamoy ny ainy kosa no hiaro an\u2019izany.",
        "34": "Lazaiko aminareo fa amin\u2019izany alina izany, dia hisy olona roa iray fandriana: Ny iray hoentina fa ny iray havela.",
        "35": "Ary hisy roa vavy hanodina vato fikosoham-bary iray ihany: Ny iray hoentina fa ny iray havela.\u201d",
        "36": "* \u2014\u2014",
        "37": "Koa niteny taminy izy ireo hoe: \u201cAiza izany, Tompo\u00a0\u00f4?\u201d Dia hoy izy: \u201cAny amin\u2019izay misy ny faty, dia any koa no hiangonan\u2019ny voromahery.\u201d"
    },
    "18": {
        "1": "Ary nilaza fanoharana tamin\u2019izy ireo i Jesosy momba ny hoe ilaina foana ny mivavaka, ka tsy ho kivy mihitsy.",
        "2": "Hoy izy: \u201cNisy mpitsara tsy natahotra an\u2019Andriamanitra sady tsy niraharaha na iza na iza, tao amin\u2019ny tan\u00e0na iray.",
        "3": "Ary nisy vehivavy mpitondratena koa tao. Nandeha tany aminy foana izy io, ka niteny taminy hoe: \u2018Mba ataovy re izay hahazoako rariny amin\u2019ilay miady amiko any amin\u2019ny fitsarana\u00a0e!\u2019",
        "4": "Tsy nety aloha ilay mpitsara nandritra ny fotoana elaela. Tat\u1ef3 aoriana anefa, dia nieritreritra izy hoe: \u2018Na dia tsy matahotra an\u2019Andriamanitra sy tsy miraharaha na iza na iza aza aho,",
        "5": "dia homeko rariny ihany io vehivavy mpitondratena io fa manelingelina ahy tsy misy farany. Amin\u2019izay izy dia tsy ho tonga lava hangataka eto amiko eto, ka hanorisory ahy.\u2019\u201d",
        "6": "Dia hoy ny Tompo: \u201cHenoy izany tenin\u2019ilay mpitsara izany! Izy aza olona tsy marina nefa miteny an\u2019izany.",
        "7": "Tsy hataon\u2019Andriamanitra mahazo rariny tokoa ve ny olom-boafidiny izay mitaraina aminy andro aman\u2019alina, na dia hoe manam-paharetana amin\u2019izy ireo aza izy?",
        "8": "Lazaiko aminareo fa hataony haingana izay hanomezana rariny azy ireo. Rehefa tonga anefa ny Zanak\u2019olona, tena hahita finoana hoatr\u2019izany et\u1ef3 an-tany ve izy?\u201d",
        "9": "Nilaza an\u2019izao fanoharana izao koa izy tamin\u2019ireo nihevi-tena ho marina sy nanao tsinontsinona ny hafa:",
        "10": "\u201cNisy roa lahy niakatra nankao amin\u2019ny tempoly mba hivavaka. Ny anankiray Fariseo ary ny anankiray mpamory hetra.",
        "11": "Dia nitsangana ilay Fariseo ka nivavaka anakampo hoe: \u2018Andriamanitra\u00a0\u00f4, misaotra anao aho fa tsy mba hoatran\u2019ny olon-kafa rehetra izay mpanao an-keriny, manao ny tsy marina, mpanitsakitsa-bady, na koa hoatran\u2019itsy mpamory hetra itsy.",
        "12": "Mifady hanina indroa isan-kerinandro aho, ary manome ny ampahafolon\u2019ny zava-drehetra azoko.\u2019",
        "13": "Nijoro lavidavitra kosa ilay mpamory hetra, ary tsy sahy nitraka nijery ny lanitra, fa nikapo-tratra foana ka niteny hoe: \u2018Andriamanitra\u00a0\u00f4, mamindr\u00e0\u00a0fo amiko mpanota.\u2019",
        "14": "Lazaiko aminareo fa izany lehilahy izany no hita fa marina noho ilay Fariseo, rehefa nidina tany an-tranony. Fa izay manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra.\u201d",
        "15": "Nentin\u2019ny olona teo amin\u2019i Jesosy koa ny zanany kely mba hokasihiny, nefa nibedy azy ireny ny mpianatra rehefa nahita an\u2019izany.",
        "16": "Nantsoin\u2019i Jesosy hankeo aminy anefa ny zazakely, ka hoy izy: \u201cAvelao ny zaza hanatona ahy fa aza sakanana, fa an\u2019izay hoatr\u2019azy ny Fanjakan\u2019Andriamanitra.",
        "17": "Lazaiko marina aminareo fa tsy maintsy mandray ny Fanjakan\u2019Andriamanitra hoatran\u2019ny zaza ianareo, fa raha tsy izany dia tsy ho tafiditra ao mihitsy.\u201d",
        "18": "Ary nisy mpitondra teo amin\u2019ny Jiosy nanontany azy hoe: \u201cMpampianatra Tsara\u00a0\u00f4, inona no tsy maintsy ataoko mba handovako fiainana mandrakizay?\u201d",
        "19": "Dia hoy i Jesosy: \u201cManinona aho no antsoinao hoe tsara? Tsy misy tsara afa-tsy iray ihany, dia Andriamanitra.",
        "20": "Fantatrao ny didy hoe: \u2018Aza manitsakitsa-bady, aza mamono olona, aza mangalatra, aza mijoro ho vavolombelona mandainga. Hajao ny rainao sy ny reninao.\u2019\u201d",
        "21": "Dia hoy izy: \u201cEfa narahiko daholo izany hatramin\u2019izaho mbola kely.\u201d",
        "22": "Hoy i Jesosy rehefa naheno an\u2019izany: \u201cMisy zavatra iray mbola tokony hataonao: Amidio daholo ny fanananao, ka zarao amin\u2019ny mahantra ny vola azo amin\u2019ilay izy, dia hanana harena any an-danitra ianao. Ary andao hanara-dia ahy.\u201d",
        "23": "Nalahelo be anefa izy rehefa naheno an\u2019izany, satria nanan-karena be.",
        "24": "Nijery azy i Jesosy, ary niteny hoe: \u201cTena ho sarotra amin\u2019ny mpanam-bola ny hiditra ao amin\u2019ny Fanjakan\u2019Andriamanitra!",
        "25": "Mora kokoa ny hidiran\u2019ny rameva ao amin\u2019ny vodifanjaitra, noho ny hidiran\u2019ny mpanankarena ao amin\u2019ny Fanjakan\u2019Andriamanitra.\u201d",
        "26": "Ary hoy izay naheno an\u2019izany: \u201cDia mety hisy ho voavonjy ve raha izany?\u201d",
        "27": "Dia niteny izy hoe: \u201cNy zavatra tsy hain\u2019olombelona dia hain\u2019Andriamanitra.\u201d",
        "28": "Hoy anefa i Petera: \u201cEfa nahafoy ny fanananay izahay dia nanaraka anao.\u201d",
        "29": "Dia hoy i Jesosy tamin\u2019izy ireo: \u201cLazaiko marina aminareo fa tsy misy olona efa nahafoy trano, na vady, na rahalahy, na ray aman-dreny, na zanaka noho ny Fanjakan\u2019Andriamanitra,",
        "30": "ka tsy hahazo be lavitra amin\u2019izao andro izao, ary fiainana mandrakizay ao amin\u2019ilay tontolo ho avy.\u201d",
        "31": "Dia nentiny nihataka kely izy 12\u00a0Lahy, ka hoy izy: \u201cMiakatra ho any Jerosalema isika izao. Ary ho tanteraka daholo izay rehetra nosoratan\u2019ny mpaminany momba ny Zanak\u2019olona.",
        "32": "Hatolotra amin\u2019ny hafa firenena, ohatra, izy ary hihomehezany sady halany baraka ary hororany.",
        "33": "Dia hokaravasiny ny Zanak\u2019olona, ary avy eo dia hovonoiny ho faty. Hitsangana anefa izy amin\u2019ny andro fahatelo.\u201d",
        "34": "Tsy nisy azon\u2019izy ireo anefa ny hevitr\u2019izany. Fa nafenina taminy ny hevitr\u2019izany teny izany, ka tsy azon\u2019izy ireo izay zavatra nolazainy.",
        "35": "Rehefa nanakaiky an\u2019i Jeriko i Jesosy, dia nisy lehilahy iray jamba nipetraka nangataka teo amoron-dalana.",
        "36": "Nandre vahoaka\u00a0be nandalo ilay lehilahy, ka nanontany hoe inona no nitranga.",
        "37": "Ary hoy ny olona: \u201cMandalo i Jesosy avy any Nazareta!\u201d",
        "38": "Dia niantso mafy ilay jamba hoe: \u201cMba iantrao aho, ry\u00a0Jesosy Zanak\u2019i Davida\u00a0\u00f4!\u201d",
        "39": "Ary nibedy azy ny olona teny aloha sady niteny azy mba hangina, nefa vao mainka izy niantsoantso mafy hoe: \u201cRy\u00a0Zanak\u2019i Davida\u00a0\u00f4, mba iantrao aho!\u201d",
        "40": "Dia nijanona i Jesosy ka nasainy nentina teo aminy ilay lehilahy. Rehefa nanatona ilay lehilahy, dia nanontany azy i Jesosy hoe:",
        "41": "\u201cInona no tianao hataoko aminao?\u201d Hoy izy: \u201cTompo\u00a0\u00f4, mba ataovy mahita indray aho.\u201d",
        "42": "Hoy \u00e0ry i Jesosy: \u201cAoka ianao hahita indray! Ny finoanao no nahasitrana anao.\u201d",
        "43": "Avy hatrany dia nahita ilay lehilahy, ka nanomboka nanaraka an\u2019i Jesosy ary nanome voninahitra an\u2019Andriamanitra. Dia nidera an\u2019Andriamanitra koa ny olona rehetra nahita an\u2019izany."
    },
    "19": {
        "1": "Dia niditra tao Jeriko izy, ka namakivaky an\u2019ilay tan\u00e0na.",
        "2": "Nisy lehilahy atao hoe Zakaiosy tao. Lehiben\u2019ny mpamory hetra izy sady nanan-karena.",
        "3": "Niezaka mafy hahita an\u2019izany Jesosy izany izy, saingy tsy afaka satria be\u00a0loatra ny olona nefa izy fohy kely.",
        "4": "Koa nihazakazaka mialoha izy ary nianika aviavidia mba hahita an\u2019i Jesosy, satria efa handalo eo amin\u2019ilay lalana i Jesosy.",
        "5": "Rehefa tonga teo i Jesosy, dia nitraka ka niteny hoe: \u201cZakaiosy, mid\u00ecna haingana, fa tsy maintsy hivahiny ao an-tranonao aho anio.\u201d",
        "6": "Dia nidina haingana izy ka faly er\u1ef3 nandray azy tao an-tranony.",
        "7": "Rehefa hitan\u2019ny olona izany, dia nimenomenona izy rehetra hoe: \u201cLasa nivahiny ao an-tranon\u2019ny lehilahy mpanota izy.\u201d",
        "8": "Fa i Zakaiosy kosa nitsangana, ka niteny tamin\u2019ny Tompo hoe: \u201cTompo\u00a0\u00f4, homeko ny mahantra ny antsasaky ny fananako, ary izay rehetra nalaiko an-keriny dia honerako avo efatra heny.\u201d",
        "9": "Dia hoy i Jesosy: \u201cAndroany no tonga ato amin\u2019ity trano ity ny famonjena, satria zanak\u2019i Abrahama koa izy.",
        "10": "Fa tonga hitady sy hamonjy ny very ny Zanak\u2019olona.\u201d",
        "11": "Raha mbola nihaino an\u2019izany ireo mpianatra, dia nilaza fanoharana hafa i Jesosy, satria efa akaiky an\u2019i Jerosalema izy, sady noheverin\u2019izy ireo hoe hiseho avy hatrany ny Fanjakan\u2019Andriamanitra.",
        "12": "Niteny \u00e0ry izy hoe: \u201cNisy andriana nankany an-tany lavitra mba handray fahefana hanjaka, dia hiverina.",
        "13": "Dia niantso folo lahy tamin\u2019ny mpanompony izy, ka nomeny folo mina izy ireo. Ary hoy izy: \u2018Ampiasao hanaovana raharaham-barotra ireny mandra-pahatongako.\u2019",
        "14": "Halan\u2019ireo mpiray firenena taminy anefa izy. Koa rehefa lasa izy, dia naniraka ambasadaoro ireo hilaza hoe: \u2018Tsy mila an\u2019iny lehilahy iny ho mpanjakanay izahay.\u2019",
        "15": "\u201cAry niverina izy, tat\u1ef3 aoriana, rehefa avy nandray fahefana hanjaka. Dia nampanantsoiny ireo mpanompo nomeny vola, mba hahitany izay tombony azon\u2019 ireo tamin\u2019ny raharaham-barotra nataon\u2019izy ireo.",
        "16": "Tonga \u00e0ry ny voalohany, ka niteny hoe: \u2018Nahazoana tombony folo mina ilay iray mina nomenao, tompoko.\u2019",
        "17": "Dia hoy izy taminy: \u2018Tsara izany, ry\u00a0mpanompo tsara! Mendri-pitokisana tamin\u2019ny zavatra tena kely ianao, ka omeko fahefana hifehy tan\u00e0na folo.\u2019",
        "18": "Tonga indray ny faharoa, ka nilaza hoe: \u2018Nahazoana dimy mina ilay iray mina nomenao, tompoko.\u2019",
        "19": "Hoy koa izy tamin\u2019io: \u2018Asaiko hiandraikitra tan\u00e0na dimy koa ianao.\u2019",
        "20": "Fa tonga kosa ny iray, ka niteny hoe: \u2018Int\u1ef3, tompoko, ilay mina nomenao. Notehiriziko tao anaty lamba izy ity.",
        "21": "Natahotra anao mantsy aho, satria olona sarotsarotiny ianao, sady maka an\u2019izay tsy napetrakao no mijinja an\u2019izay tsy nafafinao.\u2019",
        "22": "Dia hoy izy taminy: \u2018Ny teninao ihany no itsarako anao, ry\u00a0mpanompo ratsy fanahy! Fantatrao fa olona sarotsarotiny aho, sady maka an\u2019izay tsy napetrako no mijinja an\u2019izay tsy nafafiko.",
        "23": "Koa maninona no tsy napetrakao tany amin\u2019ny banky ny volako? Amin\u2019izay rehefa tonga aho dia ho nandray an\u2019ilay izy miaraka amin\u2019ny zanabola.\u2019",
        "24": "\u201cAry hoy izy tamin\u2019ireo nijoro teo: \u2018Alaivo ilay mina any aminy, dia omeo an\u2019ilay manana folo mina.\u2019",
        "25": "Hoy anefa izy ireo taminy: \u2018Efa manana folo mina izy, tompoko!\u2019",
        "26": "Dia hoy izy: \u2018Lazaiko aminareo fa izay manana dia homena bebe kokoa, fa izay tsy manana kosa, na izay ananany aza dia halaina aminy.",
        "27": "Ary ento at\u1ef3 koa ireo fahavaloko tsy nanaiky ahy ho mpanjaka ireo, ka vonoy ho faty eto anatrehako.\u2019\u201d",
        "28": "Rehefa avy nilaza an\u2019izany izy, dia nandeha nialoha hiakatra ho any Jerosalema.",
        "29": "Ary rehefa nanakaiky an\u2019i Betifaga sy Betania, teo amin\u2019ilay tendrombohitra atao hoe Tendrombohitra Oliva, izy, dia naniraka roa lahy tamin\u2019ny mpianany.",
        "30": "Dia hoy izy: \u201cMandehana ao amin\u2019ir\u1ef3 tan\u00e0na kely ir\u1ef3. Ary rehefa tafiditra ao ianareo, dia hahita zanak\u2019ampondra mifatotra, mbola tsy nitaingenan\u2019olona mihitsy. Vahao ilay izy dia ento at\u1ef3.",
        "31": "Ary raha misy manontany anareo hoe: \u2018Fa maninona io no vahanareo?\u2019, dia teneno hoe: \u2018Misy ilan\u2019ny Tompo azy.\u2019\u201d",
        "32": "Dia lasa ireo mpianatra nirahiny, ka nahita an\u2019izay nolazainy tamin\u2019izy ireo.",
        "33": "Raha mbola namaha an\u2019ilay zanak\u2019ampondra anefa izy ireo, dia hoy ny tompony: \u201cFa maninona no vahanareo io zanak\u2019ampondra io?\u201d",
        "34": "Dia namaly izy ireo hoe: \u201cMisy ilan\u2019ny Tompo azy.\u201d",
        "35": "Ary nentin\u2019izy roa lahy tany amin\u2019i Jesosy ilay zanak\u2019ampondra, dia napetrak\u2019izy ireo teo ambonin\u2019ilay izy ny akanjon\u2019izy ireo ivelany, ka nasainy nitaingina teo i Jesosy.",
        "36": "Dia namelatra ny akanjony ivelany teo amin\u2019ny lalana ny olona, arakaraka ny nandrosoan\u2019i Jesosy.",
        "37": "Nanomboka nifaly daholo ny mpianatra maro\u00a0be, raha vao nanakaiky an\u2019ilay lalana midina amin\u2019ny Tendrombohitra Oliva izy. Ary nidera an\u2019Andriamanitra tamin\u2019ny feo avo izy ireo, noho ny fahagagana rehetra hitany,",
        "38": "ka niteny hoe: \u201cHotahina anie Ilay Mpanjaka tonga amin\u2019ny anaran\u2019i Jehovah! Fiadanana any an-danitra ary voninahitra any amin\u2019ny avo indrindra!\u201d",
        "39": "Hoy anefa ny Fariseo sasany, izay teo amin\u2019ny vahoaka: \u201cMpampianatra\u00a0\u00f4, teneno ny mpianatrao.\u201d",
        "40": "Fa namaly i Jesosy hoe: \u201cLazaiko aminareo fa raha mangina ireo, dia ny vato no hiantsoantso.\u201d",
        "41": "Ary nahatazana an\u2019ilay tan\u00e0na izy rehefa nanakaiky, ka nitomany mafy azy,",
        "42": "sady niteny hoe: \u201cRaha mba takatrao mantsy amin\u2019ity andro ity hoe ahoana no hahazoana fiadanana! Afenina amin\u2019ny masonao anefa izany ankehitriny.",
        "43": "Fa ho avy ny andro hananganan\u2019ny fahavalonao fefy hazo maranitra manodidina anao, ka hohodidininy ianao ary hataony fahirano avy any amin\u2019ny lafiny rehetra.",
        "44": "Hatontany amin\u2019ny tany ianao sy ny zanakao ao aminao, ary tsy hisy vato havelany hifanaingina eo aminao, satria tsy takatrao ny fotoana nitsarana anao.\u201d",
        "45": "Dia niditra tao amin\u2019ny tempoly izy, ka nanomboka nandroaka an\u2019izay nivarotra tao,",
        "46": "ary niteny hoe: \u201cVoasoratra hoe: \u2018Ny tranoko dia ho trano fivavahana\u2019, fa ianareo kosa manao azy ho lava-bato fiafenan\u2019ny jiolahy.\u201d",
        "47": "Mbola nampianatra isan\u2019andro tao amin\u2019ny tempoly izy. Nitady hamono azy anefa ny lehiben\u2019ny mpisorona sy ny mpanora-dal\u00e0na ary ny lehiben\u2019ny vahoaka,",
        "48": "saingy tsy nahita fomba hanaovana an\u2019izany, satria variana er\u1ef3 ny vahoaka rehetra nihaino azy."
    },
    "20": {
        "1": "Indray andro, raha mbola nampianatra olona tao amin\u2019ny tempoly i Jesosy, sady nitory ny vaovao tsara, dia nanatona azy ny lehiben\u2019ny mpisorona sy ny mpanora-dal\u00e0na ary ny anti-panahy,",
        "2": "ka niteny taminy hoe: \u201cLazao aminay hoe fahefana avy aiza no anaovanao an\u2019izao? Ary iza no nanome anao an\u2019izany fahefana izany?\u201d",
        "3": "Dia namaly izy hoe: \u201cIzaho koa mba hanontany anareo ka valio:",
        "4": "Avy any an-danitra sa avy amin\u2019ny olona no nahazoan\u2019i Jaona fahefana hanao batisa?\u201d",
        "5": "Dia niara-nidinika izy ireo hoe: \u201cRaha miteny izao isika hoe: \u2018Avy any an-danitra\u2019, dia hilaza izy hoe: \u2018Koa naninona ianareo no tsy nino azy?\u2019",
        "6": "Raha miteny anefa isika hoe: \u2018Avy amin\u2019ny olona\u2019, dia hitora-bato antsika ny vahoaka rehetra, satria resy lahatra ry\u00a0zareo fa mpaminany i Jaona.\u201d",
        "7": "Koa namaly izy ireo hoe tsy fantany na avy aiza na avy aiza.",
        "8": "Dia hoy i Jesosy: \u201cIzaho koa tsy hiteny aminareo hoe fahefana avy aiza no anaovako an\u2019izao.\u201d",
        "9": "Nilaza an\u2019izao fanoharana izao tamin\u2019ny vahoaka izy avy eo: \u201cNanao tanimboaloboka ny lehilahy iray, ary nampanofainy tamin\u2019ny mpamboly ilay izy. Dia lasa nankany an-tany hafa izy ary naharitra ela be tany.",
        "10": "Rehefa tonga ny fotoam-piotazana, dia naniraka mpanompo ho any amin\u2019ny mpamboly izy mba haka amin\u2019ny vokatry ny tanimboaloboka. Nalefan\u2019izy ireo nody maina anefa ilay mpanompo, rehefa avy nokapohiny.",
        "11": "Dia naniraka mpanompo hafa indray ilay lehilahy. Nokapohin\u2019izy ireo koa izy io sady nalany baraka ary nalefany nody maina.",
        "12": "Mbola naniraka mpanompo fahatelo izy, nefa nataon\u2019izy ireo naratra sy noroahiny koa izy io.",
        "13": "Dia hoy ilay tompon\u2019ny tanimboaloboka: \u2018Inona re no hataoko\u00a0e? Haniraka ny zanako malalako aho. Angamba mba hohajain\u2019izy ireo izy.\u2019",
        "14": "Rehefa nahita azy ny mpamboly, dia nifampiresaka hoe: \u2018Iny ny mpandova! Andao izy hovonointsika, dia amin\u2019izay lasantsika ny lova!\u2019",
        "15": "Koa notaritaritin\u2019izy ireo teny ivelan\u2019ny tanimboaloboka izy, dia novonoiny ho faty. Inona \u00e0ry no hataon\u2019ilay tompon\u2019ny tanimboaloboka amin\u2019izy ireo?",
        "16": "Ho avy izy dia hovonoiny ho faty ireo mpamboly ireo, ary homeny olon-kafa ny tanimboaloboka.\u201d Dia hoy izy ireo rehefa naheno an\u2019izany: \u201cEnga anie mba tsy hisy izany!\u201d",
        "17": "Fa nijery tsara azy ireo i Jesosy sady niteny hoe: \u201cKoa inona \u00e0ry no dikan\u2019ilay voasoratra hoe: \u2018Ny vato tsy tian\u2019ny mpanao trano no lasa vato fehizoro lehibe indrindra\u2019?",
        "18": "Ho potipotika izay rehetra mianjera eo amin\u2019izany vato izany, ary ho torotoro izay ianjerany.\u201d",
        "19": "Tamin\u2019izay ora izay indrindra, dia nitady hisambotra azy ny mpanora-dal\u00e0na sy ny lehiben\u2019ny mpisorona, satria takany fa izy ireo no tao an-tsain\u2019i Jesosy tamin\u2019io fanoharana io. Natahotra ny vahoaka anefa izy ireo.",
        "20": "Nanara-maso akaiky an\u2019i Jesosy \u00e0ry izy ireo, ary naniraka olona, izay nokaramainy mangingina hiseho ho olo-marina, mba hamandrika an\u2019i Jesosy amin\u2019ny teniny. Amin\u2019izay izy ireo ho afaka hanolotra azy amin\u2019ny mpitondra sy ny governora.",
        "21": "Ary nanontany an\u2019i Jesosy izy ireo hoe: \u201cMpampianatra\u00a0\u00f4, fantatray fa marina ny teninao sy ny fampianaranao, ary tsy mijery tavan\u2019olona ianao, fa marina ny fampianaranao momba an\u2019Andriamanitra.",
        "22": "Azonay atao ve sa tsia ny mandoa hetra amin\u2019i Kaisara?\u201d",
        "23": "Takatr\u2019i Jesosy anefa fa fetsy ratsy izy ireo, ka hoy izy taminy:",
        "24": "\u201cAmpisehoy denaria iray aho. Sarin\u2019iza io eo io, dia anaran\u2019iza io?\u201d Hoy izy ireo: \u201cAn\u2019i Kaisara.\u201d",
        "25": "Dia hoy izy: \u201cNoho izany \u00e0ry, dia aloavy amin\u2019i Kaisara izay an\u2019i Kaisara, fa amin\u2019Andriamanitra kosa izay an\u2019Andriamanitra.\u201d",
        "26": "Koa tsy afaka namandrika azy tamin\u2019ny teniny teo anatrehan\u2019ny olona izy ireo, fa kepoka tsy nahateny satria gaga tamin\u2019ny valin-teniny.",
        "27": "Nanatona azy anefa ny sasany tamin\u2019ny Sadoseo, izay milaza fa tsy misy fitsanganan\u2019ny maty. Nanontanian\u2019izy ireo izy hoe:",
        "28": "\u201cMpampianatra\u00a0\u00f4, nanoratra ho antsika i Mosesy hoe: \u2018Raha maty ny lehilahy iray ka namela vady nefa tsy niteraka, dia tokony hampakatra an\u2019ilay vady navelany ny rahalahiny, ka hanome taranaka ho an\u2019ilay rahalahiny efa maty.\u2019",
        "29": "Nisy fito mirahalahy \u00e0ry. Nanambady ilay voalohany, nefa maty tsy niteraka.",
        "30": "Ary maty koa ny faharoa,",
        "31": "ka nampakatra an\u2019ilay vehivavy ny fahatelo. Hoatr\u2019izany daholo no nataon\u2019izy fito. Samy maty tsy niteraka izy ireo.",
        "32": "Maty koa ilay vehivavy tamin\u2019ny farany.",
        "33": "Koa rehefa atsangana ny maty, ho vadin\u2019iza ilay vehivavy? Efa samy nanambady azy daholo mantsy izy fito mirahalahy.\u201d",
        "34": "Hoy i Jesosy tamin\u2019izy ireo: \u201cNy zanak\u2019izao tontolo izao no mampaka-bady sy avoaka hampakarina.",
        "35": "Fa tsy hampaka-bady na havoaka hampakarina kosa izay hita hoe mendrika ny hiaina ao amin\u2019ilay tontolo ho avy sy mendrika ny hatsangana amin\u2019ny maty.",
        "36": "Tsy mety maty intsony izy ireo fa hitovy amin\u2019ny anjely, ary zanak\u2019Andriamanitra izy ireo satria zanaky ny fitsanganana amin\u2019ny maty.",
        "37": "Fa na i Mosesy aza nampahafantatra hoe hatsangana ny maty, tao amin\u2019ny fitantarana momba an\u2019ilay voarointsilo, rehefa niantso an\u2019i Jehovah hoe \u2018Andriamanitr\u2019i Abrahama sy Andriamanitr\u2019i Isaka ary Andriamanitr\u2019i Jakoba.\u2019",
        "38": "Tsy mba Andriamanitry ny maty izy, fa an\u2019ny velona satria aminy dia velona daholo izy rehetra ireo.\u201d",
        "39": "Hoy \u00e0ry ny mpanora-dal\u00e0na sasany: \u201cMpampianatra\u00a0\u00f4, marina ny teninao.\u201d",
        "40": "Ary tsy sahy nanontany azy intsony izy ireo.",
        "41": "Fa nanontany azy ireo kosa i Jesosy hoe: \u201cManinona no lazain\u2019ny olona fa zanak\u2019i Davida i Kristy?",
        "42": "I Davida mihitsy mantsy no milaza ao amin\u2019ny bokin\u2019ny Salamo hoe: \u2018Hoy i Jehovah tamin\u2019ny Tompoko: \u201cMipetraha eto ankavanako",
        "43": "mandra-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.\u201d\u2019",
        "44": "I Davida aza niantso azy hoe \u2018Tompo\u2019, dia ahoana no maha zanany azy?\u201d",
        "45": "Ary hoy izy tamin\u2019ny mpianany, raha mbola nihaino azy ny vahoaka rehetra:",
        "46": "\u201cMitandrema amin\u2019ny mpanora-dal\u00e0na, izay tia mandehandeha manao akanjo lava. Tiany koa ny hoarahabaina eny an-tsena, ary hahazo ny toerana eny aloha ao amin\u2019ny synagoga sy ny toerana mihaja indrindra any amin\u2019ny sakafo hariva.",
        "47": "Taperin\u2019izy ireny ny fananan\u2019ny mpitondratena, ary manao vavaka lava be izy ireny mba hisehosehoana fotsiny. Hahazo fanamelohana henjana kokoa izy ireny.\u201d"
    },
    "21": {
        "1": "Ary nijery i Jesosy, ka nahita ny manankarena nandrotsaka ny fanomezany tao amin\u2019ireo vata fandrotsaham-bola.",
        "2": "Dia nahita vehivavy mpitondratena mahantra nandatsaka vola madinika kely anankiroa zara raha nisy vidiny izy,",
        "3": "ka nilaza hoe: \u201cLazaiko marina aminareo fa io mpitondratena mahantra io no nandrotsaka betsaka kokoa noho izy rehetra.",
        "4": "Izy rehetra mantsy nandrotsaka fanomezana avy tamin\u2019izay sisa tsy laniny, fa io vehivavy io kosa na mahantra aza, dia nandrotsaka ny fivelomany rehetra.\u201d",
        "5": "Taorian\u2019izay, dia nisy niresaka momba ny tempoly sy ny nandravahana azy tamin\u2019ny vato tsara tarehy sy tamin\u2019ny zavatra voatokana ho an\u2019Andriamanitra.",
        "6": "Dia hoy i Jesosy: \u201cHo\u00a0avy ny andro handrodanana an\u2019ireo zavatra hitanareo amin\u2019izao ireo, ka tsy hisy vato havela hifanaingina.\u201d",
        "7": "Dia nanontany azy izy ireo hoe: \u201cMpampianatra\u00a0\u00f4, rahoviana marina no hitranga izany, ary inona no ho famantarana rehefa ho tonga izany?\u201d",
        "8": "Dia hoy izy: \u201cMitandrema sao ho voafitaka ianareo. Fa maro no hisandoka ny anarako, dia hiteny hoe: \u2018Izaho no izy\u2019, sy hoe: \u2018Efa akaiky ny fotoana voatondro.\u2019 Koa aza manaraka azy.",
        "9": "Ary aza mihorohoro rehefa maheno ady sy korontana ianareo. Fa tsy maintsy hitranga aloha izany, nefa tsy ho tonga avy\u00a0hatrany ny farany.\u201d",
        "10": "Dia hoy izy tamin\u2019izy ireo: \u201cHisy firenena hiady amin\u2019ny firenena, ary hisy fanjakana hiady amin\u2019ny fanjakana.",
        "11": "Hisy horohoron-tany lehibe, ary hisy mosary sy areti-mandringana any amin\u2019ny toerana samihafa. Hisy zavatra mampahatahotra ho hitan\u2019ny olona, ary hisy famantarana lehibe avy any an-danitra.",
        "12": "\u201cFa alohan\u2019ny hitrangan\u2019izany rehetra izany, dia hisambotra sy hanenjika anareo ny olona, ka hanolotra anareo any amin\u2019ny synagoga sy any am-ponja. Hoentina eo anatrehan\u2019ny mpanjaka sy ny governora ianareo, noho ny anarako.",
        "13": "Ho afaka hitory aminy ianareo amin\u2019izay.",
        "14": "Koa aoka ianareo ho tapa-kevitra ao am-ponareo hoe tsy hanomana mialoha an\u2019izay fiarovan-tena holazainareo,",
        "15": "satria izaho no hanoro anareo an\u2019izay teny holazainareo sy hanome fahendrena anareo, ka tsy hahatohitra na hahavaly anareo ny fahavalonareo rehetra.",
        "16": "Na ny ray aman-dreninareo sy ny rahalahinareo sy ny havanareo ary ny namanareo koa aza hanolotra anareo amin\u2019ny manam-pahefana, ka hisy aminareo hovonoina ho faty.",
        "17": "Ary ho halan\u2019ny olona rehetra ianareo noho ny anarako.",
        "18": "Tsy hisy ho very anefa na dia singam-bolo iray eo amin\u2019ny lohanareo aza.",
        "19": "Raha miaritra ianareo dia ho voavonjinareo ny ainareo.",
        "20": "\u201cRehefa hitanareo anefa fa misy miaramila mitoby manodidina an\u2019i Jerosalema, dia fantaro fa efa akaiky ny fandravana azy.",
        "21": "Dia mila mandositra any an-tendrombohitra izay any Jodia, ary izay ao Jerosalema mila miala ao, ary izay any ambanivohitra tsy tokony hiditra ao Jerosalema intsony.",
        "22": "Fa andro hampiharana ny rariny izany, mba hahatanteraka an\u2019izay rehetra voasoratra.",
        "23": "Loza no hanjo ny bevohoka sy ny mampinono, amin\u2019izany andro izany! Fa hisy fahoriana mafy eo amin\u2019ilay tany ary hiharan\u2019ny fahatezerana ity firenena ity.",
        "24": "Ho fatin\u2019ny sabatra izy ireo, ka hoentina ho babo any amin\u2019ny firenena rehetra, ary hohitsahin\u2019ny hafa firenena i Jerosalema mandra-pahatapitry ny fotoana voatondro ho an\u2019ny hafa firenena.",
        "25": "\u201cHisy famantarana koa eny amin\u2019ny masoandro sy ny volana ary ny kintana. Ary et\u1ef3 ambonin\u2019ny tany, dia hitebiteby sy ho very hevitra ireo firenena, noho ny fidoboky ny ranomasina sy ny fisamboaravoarany.",
        "26": "Ho safotra ny olona noho ny tahotra sy ny fiandrasana an\u2019izay zavatra ho tonga et\u1ef3 ambonin\u2019ny tany, fa hohozongozonina ny herin\u2019ny lanitra.",
        "27": "Dia avy eo ho hitan\u2019ny olona ho avy ao amin\u2019ny rahona ny Zanak\u2019olona, sady ho avy amin-kery sy voninahitra lehibe.",
        "28": "Fa rehefa manomboka mitranga izany, dia mijoroa tsara ka mitrak\u00e0 satria efa akaiky ny fanafahana anareo.\u201d",
        "29": "Dia nilaza fanoharana tamin\u2019izy ireo izy hoe: \u201cDiniho ny aviavy sy ny hazo hafa rehetra.",
        "30": "Rehefa hitanareo mitsimoka izy ireny, dia fantatrareo fa efa akaiky ny fahavaratra.",
        "31": "Hoatr\u2019izany koa fa rehefa hitanareo hoe miseho izany zavatra izany, dia fantaro fa efa akaiky ny Fanjakan\u2019Andriamanitra.",
        "32": "Lazaiko marina aminareo fa tsy ho tapitra mihitsy ity taranaka ity, mandra-pisehon\u2019izany rehetra izany.",
        "33": "Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona mihitsy.",
        "34": "\u201cMitandrema anefa sao ny fonareo hovesaran\u2019ny fihinanana tafahoatra sy ny fibobohan-toaka ary ny fanahiana eo amin\u2019ny fiainana, ka tsy hampoizinareo ny hahatongavan\u2019izany andro izany aminareo, fa ho tampoka",
        "35": "toy ny fandrika. Fa ho tonga amin\u2019izay rehetra mipetraka et\u1ef3 ambonin\u2019ny tany manontolo izany.",
        "36": "Koa miambena foana, ary mitalahoa foana mba ho afa-mandositra an\u2019izany zava-drehetra tsy maintsy hitranga izany ianareo, ary ho afaka hitsangana eo anatrehan\u2019ny Zanak\u2019olona.\u201d",
        "37": "Dia nampianatra tao amin\u2019ny tempoly izy ny antoandro, fa niala tao kosa izy ny alina, ka nijanona tany amin\u2019ilay tendrombohitra atao hoe Tendrombohitra Oliva.",
        "38": "Ary tonga vao maraina teo aminy, tao amin\u2019ny tempoly, ny olona rehetra mba hihaino azy."
    },
    "22": {
        "1": "Efa nanakaiky ny Fetin\u2019ny Mofo Tsy Misy Lalivay, dia ilay fety atao hoe Paska.",
        "2": "Nitady tetika maty paika hamonoana azy ho faty ny lehiben\u2019ny mpisorona sy ny mpanora-dal\u00e0na tamin\u2019izay, satria natahotra ny vahoaka izy ireo.",
        "3": "Ary i Satana niditra tao amin\u2019i Jodasy, ilay antsoina hoe Iskariota, izay anisan\u2019ny 12\u00a0Lahy.",
        "4": "Dia lasa i Jodasy nankany amin\u2019ny lehiben\u2019ny mpisorona sy ny lehiben\u2019ny mpiambina ny tempoly mba hiresaka hoe ahoana sy ahoana no hamadihany an\u2019i Jesosy ka hanolorany azy amin\u2019izy ireo.",
        "5": "Koa faly izy ireo, ka nifanaraka hoe hanome vola azy.",
        "6": "Dia nanaiky izy, ary nanomboka nitady an\u2019izay fotoana mety tsara hamadihany an\u2019i Jesosy ka hanolorany azy amin\u2019izy ireo, rehefa tsy misy olona.",
        "7": "Tonga ny andro voalohany hankalazana ny Fetin\u2019ny Mofo Tsy Misy Lalivay, dia ilay andro tsy maintsy hamonoana ny biby hatao sorona hankalazana ny Paska.",
        "8": "Koa naniraka an\u2019i Petera sy Jaona i Jesosy, ka niteny hoe: \u201cMandehana manomana ny Paska hohanintsika.\u201d",
        "9": "Dia hoy izy ireo taminy: \u201cAiza no tianao hanomananay azy?\u201d",
        "10": "Namaly izy hoe: \u201cRehefa miditra ao an-tan\u00e0na ianareo, dia hifanena amin\u2019ny lehilahy iray mitondra siny tany feno rano. Araho any amin\u2019izay trano idirany izy.",
        "11": "Ary ilazao ny tompon-trano hoe: \u2018Niteny ny Mpampianatra hoe: \u201cAiza ny efitra fandraisam-bahiny azoko ihinanana ny Paska miaraka amin\u2019ny mpianatro?\u201d\u2019",
        "12": "Dia hasehony anareo ny efitra malalaka iray any ambony rihana, izay efa misy fanaka. Ao omanina ny Paska.\u201d",
        "13": "Lasa \u00e0ry izy roa lahy, dia hitan\u2019izy ireo daholo izay nolazainy tamin\u2019izy ireo. Ary nokarakarain\u2019izy ireo ny Paska.",
        "14": "Koa rehefa tonga ny fotoana, dia naka toerana teo amin\u2019ny latabatra izy sy ny apostoly.",
        "15": "Ary hoy izy tamin\u2019izy ireo: \u201cEfa tena niriko ny hiara-mihinana an\u2019ity Paska ity aminareo, alohan\u2019ny hijaliako.",
        "16": "Fa lazaiko aminareo fa tsy hihinana ny Paska intsony aho, raha tsy efa tanteraka ao amin\u2019ny Fanjakan\u2019Andriamanitra izany.\u201d",
        "17": "Dia noraisiny ny kaopy natolotra azy, ka nisaotra an\u2019Andriamanitra izy, ary niteny hoe: \u201cRaiso ity ka isotroy, ary ampitampitao amin\u2019ny tsirairay aminareo.",
        "18": "Fa lazaiko aminareo fa manomboka izao, dia tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony aho mandra-pahatongan\u2019ny Fanjakan\u2019Andriamanitra.\u201d",
        "19": "Dia nandray mofo koa izy ary nisaotra an\u2019Andriamanitra. Ary notapahiny ilay mofo, ka nomeny azy ireo, sady hoy izy: \u201cIty no vatako izay homena ho anareo. Ataovy foana izao ho fahatsiarovana ahy.\u201d",
        "20": "Toy izany koa no nataony tamin\u2019ny kaopy, rehefa avy nihinana ny sakafo hariva izy ireo. Dia hoy izy: \u201cIty kaopy ity no fifanekena vaovao miorina amin\u2019ny rako, izay halatsaka mba hahasoa anareo.",
        "21": "\u201cEfa eto amiko, eto an-databatra, anefa ny tanan\u2019ilay hamadika ahy.",
        "22": "Fa handeha tokoa ny Zanak\u2019olona, araka ny efa voalaza mialoha. Na izany aza, dia hahita loza ilay olona hamadika azy!\u201d",
        "23": "Nanomboka nifampiresaka \u00e0ry izy ireo hoe iza amin\u2019izy ireo no mieritreritra hanao an\u2019izany.",
        "24": "Nifamaly be koa anefa izy ireo hoe iza amin\u2019izy ireo no noheverina ho lehibe indrindra.",
        "25": "Fa hoy izy tamin\u2019izy ireo: \u201cManjakazaka amin\u2019ny firenena entiny ny mpanjaka, ary antsoina hoe Mpanao Soa izay manana fahefana eo aminy.",
        "26": "Ianareo kosa tsy tokony ho hoatr\u2019izany. Fa izay lehibe indrindra eo aminareo no ho toy ny zandriny indrindra, ary izay mitarika ho toy ny mpanompo.",
        "27": "Fa iza moa no lehibe kokoa: Ilay misakafo sa ilay manompo? Tsy ilay misakafo ve? Fa izaho dia toy ny mpanompo eto aminareo.",
        "28": "\u201cIanareo anefa no nifikitra tamiko tao anatin\u2019ireo fitsapana nahazo ahy.",
        "29": "Koa manao fifanekena aminareo aho, hoatran\u2019ny nanaovan\u2019ny Raiko fifanekena tamiko, dia fifanekena momba ny fanjakana,",
        "30": "mba hihinana sy hisotro eo amin\u2019ny latabatro ao amin\u2019ny Fanjakako ianareo, ary hipetraka eo amin\u2019ny seza fiandrianana hitsara ny foko 12 eo amin\u2019ny Israely.",
        "31": "\u201cSimona, Simona, nangataka i Satana mba hosivaniny toy ny vary daholo ianareo.",
        "32": "Efa nitalaho ho anao anefa aho mba tsy ho levona ny finoanao. Ary raha vao tafarina ianao, dia ampaherezo ny rahalahinao.\u201d",
        "33": "Dia hoy i Petera: \u201cTompo\u00a0\u00f4, vonona hiaraka aminao aho, na higadra ianao na ho faty.\u201d",
        "34": "Hoy anefa izy: \u201cLazaiko aminao, ry\u00a0Petera, fa mbola tsy maneno akory ny akoho anio, dia efa handa intelo ianao hoe tsy mahalala ahy.\u201d",
        "35": "Hoy koa izy tamin\u2019izy ireo: \u201cNisy nahory anareo ve, tamin\u2019ianareo nirahiko tsy nitondra kitapom-bola na kitapom-batsy na kapa?\u201d Hoy izy ireo: \u201cTsy nisy!\u201d",
        "36": "Dia hoy izy: \u201cFa ankehitriny kosa, aoka izay manana kitapom-bola hitondra an\u2019izany, ary toy izany koa izay manana kitapom-batsy. Ary izay tsy manana sabatra, aoka izy hivarotra ny akanjony ivelany ka hividy sabatra.",
        "37": "Fa lazaiko aminareo fa tsy maintsy ho tanteraka amiko izao voasoratra izao: \u2018Natao ho anisan\u2019ny mpandika lal\u00e0na izy.\u2019 Fa efa eo am-pahatanterahana izay voasoratra momba ahy.\u201d",
        "38": "Dia hoy izy ireo: \u201cIreto misy sabatra roa, Tompo\u00a0\u00f4!\u201d Hoy izy: \u201cAmpy ireny.\u201d",
        "39": "Dia lasa izy nankany amin\u2019ny Tendrombohitra Oliva, toy ny fanaony, ary nanaraka azy\u00a0koa ny mpianatra.",
        "40": "Hoy izy tamin\u2019izy ireo rehefa tonga teo\u00a0amin\u2019ilay toerana: \u201cMivavaha foana mba tsy ho resin\u2019ny fakam-panahy.\u201d",
        "41": "Ary nihataka kely tokotokony ho indray mitora-bato izy, dia nandohalika ka nivavaka",
        "42": "hoe: \u201cRay\u00a0\u00f4, raha sitrakao, dia esory amiko ity kaopy ity, nefa aoka tsy ny sitrapoko no hatao, fa ny anao.\u201d",
        "43": "Dia nisy anjely anankiray avy any an-danitra niseho taminy, ary nankahery azy.",
        "44": "Nitebiteby be mihitsy anefa izy, ka vao mainka nivavaka mafimafy kokoa foana, ary lasa hoatran\u2019ny ra nitete tamin\u2019ny tany ny hatsembohany.",
        "45": "Rehefa avy nivavaka izy dia nitsangana, ka nankeny amin\u2019ny mpianany, ary nahita azy ireo efa rendremana satria reraky ny alahelo.",
        "46": "Koa niteny tamin\u2019izy ireo izy hoe: \u201cManinona ianareo no matory? Mitsang\u00e0na ary mivavaha foana, mba tsy ho resin\u2019ny fakam-panahy.\u201d",
        "47": "Tsy tapitra akory anefa ny teniny, dia ireny fa nisy vahoaka\u00a0be tonga. Ary nitarika azy ireo ilay lehilahy atao hoe Jodasy, ilay anisan\u2019ny 12\u00a0Lahy. Dia nanatona an\u2019i Jesosy izy mba hanoroka azy.",
        "48": "Hoy anefa i Jesosy taminy: \u201cOroka ve no amadihanao ny Zanak\u2019olona, ry\u00a0Jodasy?\u201d",
        "49": "Tsinjotsinjon\u2019ireo nanodidina azy izay hitranga, ka niteny izy ireo hoe: \u201cHasianay amin\u2019ny sabatra ve ry\u00a0zareo, Tompo\u00a0\u00f4?\u201d",
        "50": "Ny iray tamin\u2019izy ireo aza namely an\u2019ilay mpanompon\u2019ny mpisoronabe mihitsy, ka niala ny sofiny havanana.",
        "51": "Fa hoy i Jesosy: \u201cAoka izay!\u201d Ary nokasihiny ny sofin\u2019ilay mpanompo ka nositraniny.",
        "52": "Dia hoy i Jesosy tamin\u2019ny lehiben\u2019ny mpisorona sy ny lehiben\u2019ny mpiambina ny tempoly ary ny anti-panahy izay tonga teo hisambotra azy: \u201cTonga at\u1ef3 miaraka amin\u2019ny sabatra sy kibay ve ianareo, hoatr\u2019ireny hisambotra mpangalatra ireny?",
        "53": "Niaraka taminareo tao amin\u2019 ny tempoly aho isan\u2019andro, nefa tsy nisambotra ahy ianareo. Fa tonga izao ny fotoananareo sy ny fahefan\u2019ny haizina.\u201d",
        "54": "Dia nosamborin\u2019izy ireo izy ka nentiny nankao an-tranon\u2019ny mpisoronabe. Fa i Petera kosa nanaraka teny lavidavitra teny.",
        "55": "Rehefa nandrehitra afo teo afovoan\u2019ny tokotany izy ireo ka niara-nipetraka teo, dia nipetraka teo niaraka tamin\u2019izy ireo koa i Petera.",
        "56": "Nahita azy nipetraka teo akaikin\u2019ny afo anefa ny mpanompovavy anankiray ka nandinika azy tsara, ary niteny hoe: \u201cIo lehilahy io koa niaraka taminy.\u201d",
        "57": "Nanda anefa izy hoe: \u201cTsy fantatro izy, ravehivavy!\u201d",
        "58": "Taoriana kelin\u2019izay dia nisy olon-kafa indray nahita azy, ka niteny hoe: \u201cNaman-dry\u00a0zareo koa ianao.\u201d Fa hoy i Petera: \u201cTsy naman-dry\u00a0zareo aho.\u201d",
        "59": "Adiny iray teo ho eo taorian\u2019izay, dia nisy lehilahy iray hafa nanizingizina hoe: \u201cTena niaraka taminy mihitsy io lehilahy io, fa Galilianina!\u201d",
        "60": "Hoy anefa i Petera: \u201cTena tsy fantatro izany lazainao izany.\u201d Ary tonga\u00a0dia nisy akoho naneno, raha iny izy mbola niteny iny.",
        "61": "Dia nitodika ny Tompo ka nijery an\u2019i Petera. Ary tsaroan\u2019i Petera ilay tenin\u2019ny Tompo taminy hoe: \u201cMbola tsy maneno akory ny akoho anio, dia handa ahy intelo ianao.\u201d",
        "62": "Koa nivoaka tany ivelany izy sady nigogogogo nitomany.",
        "63": "Ary nanomboka naneso an\u2019i Jesosy sy nikapoka azy ny olona niambina azy.",
        "64": "Dia nosaronan\u2019izy ireo ny tarehiny, ka naverimberiny nanontaniana izy hoe: \u201cMaminania! Iza ilay namely anao teo?\u201d",
        "65": "Ary nilaza zavatra maro hafa izy ireo, mba hanevatevana azy.",
        "66": "Rehefa maraina ny andro, dia nivory ny anti-panahy rehetran\u2019ny vahoaka, izany hoe ny lehiben\u2019ny mpisorona sy ny mpanora-dal\u00e0na. Ary nentin\u2019izy ireo tao amin\u2019ny trano nisy ny Fitsarana Avo Jiosy izy, ka noteneniny hoe:",
        "67": "\u201cLazao aminay raha ianao no Kristy.\u201d Fa hoy izy: \u201cNa hoteneniko aminareo aza, dia tsy hino mihitsy ianareo.",
        "68": "Ary raha hanontaniako ianareo, dia tsy hamaly.",
        "69": "Fa manomboka izao, dia hipetraka eo ankavanan\u2019ilay Andriamanitra mahery ny Zanak\u2019olona.\u201d",
        "70": "Dia hoy izy rehetra: \u201cZanak\u2019Andriamanitra ve izany ianao?\u201d Hoy izy: \u201cVoalazanareo fa izany aho.\u201d",
        "71": "Dia hoy ireo: \u201cInona indray no ilantsika porofo? Isika mihitsy no naheno ny vavany niteny an\u2019izany.\u201d"
    },
    "23": {
        "1": "Dia nitsangana ny vahoaka rehetra, ka nitondra an\u2019i Jesosy tany amin\u2019i Pilato.",
        "2": "Ary nanomboka niampanga azy izy ireo hoe: \u201cIty lehilahy ity hitanay nampirisika ny firenenay hikomy, sady nandrara ny olona tsy handoa hetra amin\u2019i Kaisara, ary nilaza fa izy no Kristy mpanjaka.\u201d",
        "3": "Dia nanontany azy i Pilato hoe: \u201cIanao ve no Mpanjakan\u2019ny Jiosy?\u201d Hoy i Jesosy: \u201cVoalazanao.\u201d",
        "4": "Dia hoy i Pilato tamin\u2019ny lehiben\u2019ny mpisorona sy ny vahoaka: \u201cTsy hitako izay helok\u2019ity lehilahy ity.\u201d",
        "5": "Fa vao mainka izy ireo nanizingizina hoe: \u201cMampirisika ny vahoaka hikomy izy rehefa nampianatra eran\u2019i Jodia, nanomboka hatrany Galilia ka hatrat\u1ef3.\u201d",
        "6": "Nandre an\u2019izany i Pilato, ka nanontany raha Galilianina izy.",
        "7": "Rehefa avy nohamarininy fa avy any amin\u2019ny faritra iadidian\u2019i Heroda izy, dia nalefany tany aminy. I Heroda rahateo koa tany Jerosalema tamin\u2019izay.",
        "8": "Faly be i Heroda nahita an\u2019i Jesosy. Efa ela mantsy izy no te hahita an\u2019i Jesosy, satria efa betsaka ny zavatra henony momba azy. Ary nanantena hahita azy hanao famantarana izy.",
        "9": "Nametraka fanontaniana be dia be taminy \u00e0ry izy, nefa tsy namaly i Jesosy.",
        "10": "Ny lehiben\u2019ny mpisorona sy ny mpanora-dal\u00e0na kosa nitsangana matetika, sady niampanga mafy azy.",
        "11": "Dia nanao tsinontsinona azy i Heroda sy ny miaramilany. Naneso azy koa i Heroda, ka nampanaoviny akanjo tsara tarehy izy ary avy eo naveriny tany amin\u2019i Pilato.",
        "12": "Ary lasa mpinamana i Heroda sy Pilato tamin\u2019izay andro izay, nefa mpifahavalo izy roa lahy taloha.",
        "13": "Dia novorin\u2019i Pilato ny lehiben\u2019ny mpisorona sy ny mpitondra teo amin\u2019ny Jiosy ary ny vahoaka,",
        "14": "ka hoy izy: \u201cNentinareo teto amiko ity lehilahy ity, dia nolazainareo hoe mampirisika ny vahoaka hikomy. Izao anefa, nofotopotorako teo anatrehanareo izy, dia hitako hoe tsy misy mitombina ny zavatra iampanganareo azy.",
        "15": "Na i Heroda koa aza tsy nahita hoe meloka izy, matoa izy naveriny tat\u1ef3 amintsika. Tsy nanao na inona na inona tokony hamonoana azy ho faty izy.",
        "16": "Koa hosaziko izy dia halefako.\u201d",
        "17": "* \u2014\u2014",
        "18": "Fa ny vahoaka rehetra kosa niantsoantso hoe: \u201cVonoy io lehilahy io, fa i Barabasy no afaho ho anay!\u201d",
        "19": "\u2014Nogadraina io Barabasy io satria nitaona olona hikomy tao an-tan\u00e0na sady namono olona.\u2014",
        "20": "Dia niteny tamin\u2019izy ireo indray i Pilato satria te handefa an\u2019i Jesosy.",
        "21": "Dia niantsoantso mafy izy ireo hoe: \u201cFantsiho eo amin\u2019ny tsato-kazo izy! Fantsiho eo amin\u2019ny tsato-kazo izy!\u201d",
        "22": "Hoy i Pilato fanintelony: \u201cFa maninona? Fa inona no ratsy nataon\u2019io lehilahy io? Tsy hitako mihitsy izay tokony hamonoana azy ho faty. Koa hosaziko izy dia halefako.\u201d",
        "23": "Rehefa naheno an\u2019izany anefa izy ireo, dia vao mainka nisisika sady niantsoantso mafy nitaky ny hamonoana azy. Ary nihorakoraka be izy ireo ka nilefitra izy.",
        "24": "Dia nanapa-kevitra i Pilato hoe hotanterahina izay notakin\u2019izy ireo.",
        "25": "Koa nafahany ilay lehilahy notakin\u2019izy ireo, dia ilay nogadraina satria nitaona olona hikomy sady namono olona. I Jesosy kosa natolony azy ireo mba hataony araka izay itiavany azy.",
        "26": "Rehefa nitondra an\u2019i Jesosy izy ireo, dia nosakanany i Simona avy any Kyrena, izay avy tany ambanivohitra. Dia nampitondrain\u2019izy ireo an\u2019i Simona ny hazo fijaliana ary nasainy nandeha tao aorianan\u2019i Jesosy izy.",
        "27": "Ary nisy vahoaka\u00a0be nanaraka an\u2019i Jesosy, anisan\u2019izany ireo vehivavy nikapo-tratra noho ny alahelo sady nidradradradra nitomany azy.",
        "28": "Fa nitodika tany amin\u2019ireo vehivavy ireo i Jesosy, ka niteny hoe: \u201cAza mitomany ahy intsony, ry\u00a0zanakavavin\u2019i Jerosalema, fa ny tenanareo sy ny zanakareo kosa itomaniana.",
        "29": "Ho avy mantsy ny andro hilazan\u2019ny olona hoe: \u2018Sambatra ny vehivavy momba, sy ny kibo tsy niteraka ary ny nono mbola tsy nisy zaza ninono!\u2019",
        "30": "Dia hanomboka hilaza amin\u2019ny tendrombohitra izy ireo hoe: \u2018Mianjer\u00e0 aminay!\u2019, ary amin\u2019ny havoana hoe: \u2018Sar\u00f2ny izahay!\u2019",
        "31": "Raha izany no ataon\u2019izy ireo amin\u2019izao hazo mbola mando izao, dia inona no hitranga rehefa maina ny hazo?\u201d",
        "32": "Nisy olon-dratsy roa lahy koa nentina hovonoina niaraka taminy.",
        "33": "Dia tonga teo amin\u2019ilay toerana atao hoe Ikarandoha izy ireo. Ary nofantsihan\u2019ireo teo amin\u2019ny tsato-kazo izy sy ireo olon-dratsy ireo, ka ny iray teo ankavanany, ary ny iray teo ankaviany.",
        "34": "Fa hoy i Jesosy: \u201cRay\u00a0\u00f4, avelao ny helok\u2019izy ireo, fa tsy fantany izay ataony.\u201d Ary nanao antsapaka izy ireo mba hizarana ny akanjony.",
        "35": "Dia nijanona nijery teo ny olona. Fa ireo mpitondra teo amin\u2019ny Jiosy kosa nanaraby azy hoe: \u201cNy hafa novonjeny, koa asaivo mamonjy ny tenany izy raha izy no Kristin\u2019Andriamanitra, ilay Voafidy.\u201d",
        "36": "Na ny miaramila aza naneso azy, ka nanatona ary nanome azy divay marikivy,",
        "37": "sady niteny hoe: \u201cRaha Mpanjakan\u2019ny Jiosy ianao, dia vonjeo ny tenanao.\u201d",
        "38": "Nisy an\u2019izao soratra izao koa teo amboniny: \u201cIty no Mpanjakan\u2019ny Jiosy.\u201d",
        "39": "Dia nanomboka nanevateva azy ny iray tamin\u2019ireo olon-dratsy nihantona teo hoe: \u201cKa tsy Kristy moa ianao? Vonjeo ny tenanao dia vonjeo koa izahay!\u201d",
        "40": "Fa niteny mafy an\u2019io ilay anankiray hoe: \u201cMbola tsy matahotra an\u2019Andriamanitra ihany ve ianao, nefa ianao koa aza efa voaheloka hoatr\u2019azy?",
        "41": "Rariny isika raha voaheloka, satria mendrika handray ny valin\u2019ny nataontsika, fa izy kosa tsy mba nanao zavatra tsy nety.\u201d",
        "42": "Hoy izy avy eo: \u201cJesosy\u00a0\u00f4, tsarovy aho rehefa tonga any amin\u2019ny Fanjakanao ianao.\u201d",
        "43": "Dia hoy i Jesosy taminy: \u201cLazaiko marina aminao anio fa hiaraka amiko any amin\u2019ny Paradisa ianao.\u201d",
        "44": "Ora fahenina teo ho eo tamin\u2019izay, kanefa nisy haizina nanarona an\u2019ilay faritra manontolo hatramin\u2019ny ora fahasivy,",
        "45": "satria tsy nazava ny masoandro. Ary triatra nizara roa teo afovoany ilay ridao tao amin\u2019ny toerana masina.",
        "46": "Dia niantsoantso mafy i Jesosy hoe: \u201cRay\u00a0\u00f4, ankiniko aminao ny aiko.\u201d Dia tapitra ny ainy, rehefa avy nilaza an\u2019izany izy.",
        "47": "Nahita an\u2019izay nitranga ilay manamboninahitra ka nanome voninahitra an\u2019Andriamanitra. Dia niteny izy hoe: \u201cTena olo-marina io lehilahy io.\u201d",
        "48": "Rehefa nahita an\u2019izany ny vahoaka rehetra tonga mba hijery an\u2019izay nitranga, dia niverina nody izy ireo sady nikapo-tratra.",
        "49": "Ary nijoro teny lavitra teny ny olom-pantany rehetra. Teo koa ireo vehivavy nanaraka azy avy tany Galilia ka nahita an\u2019izany.",
        "50": "Ary nisy lehilahy iray atao hoe Josefa, izay anisan\u2019ny Filan-kevitry ny Jiosy. Lehilahy tsara toetra izy sady olo-marina.",
        "51": "\u2014Tsy nanaiky hanohana ny tetika sy ny zava-dratsy nataon\u2019ilay Filan-kevitra izy.\u2014Avy any Arimatia tan\u00e0nan\u2019ny Jodianina izy, ary niandry ny Fanjakan\u2019Andriamanitra.",
        "52": "Nankany amin\u2019i Pilato izy, dia nangataka ny fatin\u2019i Jesosy.",
        "53": "Ary nampidininy ilay faty ka nofonosiny lamba rongony tena tsara, dia napetrany tao amin\u2019ny fasana iray nolavahana tao amin\u2019ny vatolampy, izay mbola tsy nandevenana mihitsy.",
        "54": "Andro Fiomanana tamin\u2019izay, ary efa hanomboka ny Sabata.",
        "55": "Ary nanaraka teny koa ireo vehivavy izay niaraka taminy avy tany Galilia, ka nijery ny fasana sy ny fomba nametrahana ny fatin\u2019i Jesosy.",
        "56": "Dia nody izy ireo mba hanomana zava-manitra sy menaka manitra. Mazava ho azy anefa fa niala sasatra izy ireo ny Sabata, satria izany no takin\u2019ny Lal\u00e0na."
    },
    "24": {
        "1": "Tamin\u2019ny andro voalohany amin\u2019ny herinandro anefa, dia nankany am-pasana vao maraina\u00a0be izy ireo nitondra ny zava-manitra efa nomaniny.",
        "2": "Hitan\u2019izy ireo anefa fa efa voakodia niala teo amin\u2019ny fasana ny vato.",
        "3": "Dia niditra izy ireo, kanjo tsy nahita ny fatin\u2019i Jesosy Tompo.",
        "4": "Raha mbola very hevitra teo izy ireo, dia ireo fa nisy lehilahy anankiroa nanao akanjo mamirapiratra, nijoro teo akaikiny.",
        "5": "Dia natahotra izy ireo ka niondrika. Hoy \u00e0ry izy roa lahy: \u201cFa maninona ianareo no at\u1ef3 amin\u2019ny maty no mitady an\u2019ilay efa velona?",
        "6": "Tsy ato izy, fa efa natsangana tamin\u2019ny maty. Tadidio izay noteneniny taminareo tamin\u2019izy mbola tany Galilia.",
        "7": "Nilaza izy tamin\u2019izay fa tsy maintsy hatolotra amin\u2019ny mpanota ny Zanak\u2019olona, dia hovonoina eo amin\u2019ny tsato-kazo ary hitsangana amin\u2019ny maty amin\u2019ny andro fahatelo.\u201d",
        "8": "Izay vao tadidin\u2019izy ireo ny teniny,",
        "9": "ary niala teo amin\u2019ilay fasana izy ireo ka niverina, dia nitantara an\u2019izany rehetra izany tamin\u2019ny 11\u00a0Lahy sy ny hafa rehetra.",
        "10": "Tsy iza ireo vehivavy ireo fa i Maria Magdalena sy Johana ary Maria renin\u2019i Jakoba. Ary ny vehivavy hafa niaraka tamin\u2019izy ireo dia niresaka an\u2019izany koa tamin\u2019ny apostoly.",
        "11": "Noheverin\u2019izy ireny fa niteniteny foana anefa ireo vehivavy ireo, ka tsy ninoany.",
        "12": "Fa nitsangana kosa i Petera, ka lasa nihazakazaka nankany am-pasana. Ary niondrika nijery izy, nefa tsy nahita afa-tsy ireo lamba rongony namonosana an\u2019ilay faty. Koa niala teo izy, sady lasa saina hoe inona no nitranga.",
        "13": "Ary tamin\u2019izay andro izay indrindra, dia nisy mpianatra roa lahy nankany amin\u2019ny tan\u00e0na kely atao hoe Emaosy, any amin\u2019ny 11\u00a0kilaometatra eo ho eo avy ao Jerosalema.",
        "14": "Niresaka momba an\u2019izay rehetra nitranga izy roa lahy.",
        "15": "Raha mbola niresaka sy nifanakalo hevitra momba an\u2019izany izy ireo, dia nanatona i Jesosy ary niara-dalana taminy.",
        "16": "Nahita azy izy roa lahy nefa tsy nahafantatra azy.",
        "17": "Ary hoy izy tamin\u2019izy ireo: \u201cInona izany iadianareo hevitra et\u1ef3 an-dalana izany?\u201d Dia nijanona izy ireo sady hita hoe nalahelo.",
        "18": "Ary hoy ilay atao hoe Kleopasy: \u201cVahiny mipetra-drery any Jerosalema angaha ianao no tsy mahalala ny zava-nitranga tany tato ho ato?\u201d",
        "19": "Dia nanontany izy hoe: \u201cZavatra inona?\u201d Hoy izy ireo: \u201cNy momba an\u2019i Jesosy avy any Nazareta! Mpaminany niavaka teo anatrehan\u2019Andriamanitra sy ny olona rehetra izy, tamin\u2019ny zavatra nataony sy nolazainy.",
        "20": "Dia nanolotra azy mba homelohina ho faty ny lehiben\u2019ny mpisorona sy ny mpitondra eo amin\u2019ny Jiosy. Koa nofantsihan-dry\u00a0zareo teo amin\u2019ny tsato-kazo izy.",
        "21": "Izahay anefa nanantena hoe izy no hanafaka ny Israely. Sady androany koa no andro fahatelo taorian\u2019ny nitrangan\u2019izany.",
        "22": "Nahagaga anay koa ny tenin\u2019ny vehivavy sasany teo aminay. Nankany am-pasana vao maraina mantsy ry\u00a0zareo,",
        "23": "ka rehefa tsy hitany ilay faty, dia niverina ry\u00a0zareo ary nilaza fa nahita anjely niteny hoe velona izy.",
        "24": "Lasa nankany am-pasana \u00e0ry ny sasany taminay, dia nitovy tamin\u2019ny zavatra nolazain\u2019ireo vehivavy mihitsy no hitany. Tsy nahita an\u2019i Jesosy anefa ry\u00a0zareo.\u201d",
        "25": "Koa niteny tamin\u2019izy roa lahy izy hoe: \u201cTsy mandinika tsara ianareo, ary ela vao mino an\u2019izay rehetra nolazain\u2019ny mpaminany!",
        "26": "Tsy tokony ho niaritra an\u2019izany rehetra izany ve i Kristy mba homem-boninahitra?\u201d",
        "27": "Dia nohazavainy tamin\u2019izy ireo izay zavatra rehetra resahin\u2019ny Soratra Masina momba azy, nanomboka hatrany amin\u2019i Mosesy sy ny Mpaminany rehetra.",
        "28": "Tonga teo akaikin\u2019ilay tan\u00e0na kely halehany izy ireo tamin\u2019ny farany, ary mody nanohy ny diany izy.",
        "29": "Niangavy azy mba hijanona anefa izy ireo, ka niteny hoe: \u201cMijan\u00f2na miaraka aminay fa efa ho hariva ny andro, sady efa ho maizina.\u201d Koa niditra izy ary nijanona niaraka tamin\u2019izy ireo.",
        "30": "Rehefa niara-nisakafo izy ireo, dia noraisiny ny mofo ka nisaotra an\u2019Andriamanitra izy. Ary notapahiny ilay izy, dia natolony azy ireo.",
        "31": "Tamin\u2019izay vao tonga saina izy roa lahy ka fantany hoe iza izy. Nanjavona teo anatrehan\u2019izy ireo anefa izy.",
        "32": "Koa nifampiresaka izy roa lahy hoe: \u201cTsy hoatran\u2019ny hoe nisy afo niredareda ve tao am-pontsika tamin\u2019izy niresaka tamintsika teny an-dalana, dia nanazava tsara ny Soratra Masina tamintsika?\u201d",
        "33": "Ary tamin\u2019izay ora izay ihany dia nitsangana izy roa lahy, ka niverina tany Jerosalema, ary nahita an\u2019izy 11\u00a0Lahy sy ireo nivory niaraka taminy,",
        "34": "izay niteny hoe: \u201cTena marina tokoa fa efa natsangana tamin\u2019ny maty ny Tompo, ary efa niseho tamin\u2019i Simona izy!\u201d",
        "35": "Dia notantarain\u2019izy roa lahy koa ny zava-nitranga teny an-dalana sy ny nahafantaran\u2019izy ireo azy tamin\u2019izy nanapaka ny mofo.",
        "36": "Raha mbola samy niresadresaka an\u2019izany teo izy ireo, dia tonga nijoro teo afovoany i Jesosy ka niteny hoe: \u201cFiadanana anie ho anareo!\u201d",
        "37": "Dia nihorohoro sy natahotra izy ireo, ka noheveriny fa anjely no hitany.",
        "38": "Hoy \u00e0ry izy: \u201cFa maninona ianareo no mitebiteby? Ary maninona no misalasala ianareo ao am-ponareo?",
        "39": "Jereo ny tanako sy ny tongotro, fa izaho ihany ity. Kasiho aho dia jereo, fa ny anjely tsy manana nofo sy taolana hoatran\u2019izao ahitanareo ahy izao.\u201d",
        "40": "Sady niteny an\u2019izany izy no nampiseho tamin\u2019izy ireo ny tanany sy ny tongony.",
        "41": "Mbola tsy nino ihany anefa izy ireo satria faly loatra sady gaga\u00a0be, ka hoy izy: \u201cMisy zavatra azo hanina ve ato aminareo?\u201d",
        "42": "Koa nomen\u2019izy ireo sombin-trondro natono izy.",
        "43": "Dia noraisiny ilay izy ary nohaniny teo imason\u2019izy ireo.",
        "44": "Hoy izy avy eo: \u201cEfa niteny taminareo aho, tamin\u2019izaho mbola teo aminareo, fa tsy maintsy ho tanteraka izay\u00a0rehetra nosoratana momba ahy ao amin\u2019ny Lal\u00e0n\u2019i Mosesy sy ao amin\u2019ny Mpaminany ary ny Salamo.\u201d",
        "45": "Dia nosokafany tanteraka ny sain\u2019izy ireo mba ho azon\u2019izy ireo tsara ny hevitry ny Soratra Masina,",
        "46": "ka hoy izy: \u201cIzao no efa voasoratra: Hijaly i Kristy, dia hitsangana amin\u2019ny maty amin\u2019ny andro fahatelo,",
        "47": "ary amin\u2019ny anarany no hitoriana any amin\u2019ny firenena rehetra ny fibebahana hahazoana famelan-keloka. Ary atomboka eto Jerosalema izany.",
        "48": "Ianareo no ho vavolombelon\u2019izany.",
        "49": "Ary halefako aminareo ilay nampanantenain\u2019ny Raiko. Mijan\u00f2na anefa eto an-tan\u00e0na mandra-pahatongan\u2019ny fotoana hahazoanareo hery avy any amin\u2019ny avo.\u201d",
        "50": "Dia nentiny nivoaka an\u2019ilay tan\u00e0na izy ireo, ka tonga hatrany Betania. Ary nampiakatra ny tanany izy, dia notsofiny rano izy ireo.",
        "51": "Ary nosarahina tamin\u2019izy ireo izy ka nakarina ho any an-danitra, tamin\u2019izy mbola nitso-drano azy ireo.",
        "52": "Dia niankohoka teo anatrehany izy ireo, ary faly\u00a0be nandeha niverina tany Jerosalema.",
        "53": "Ary tao amin\u2019ny tempoly foana izy ireo, nidera an\u2019Andriamanitra."
    },
    "meta": {
        "name": "Lioka",
        "order": 41,
        "chapter_number": 24
    }
}