UNPKG

mg-bibles

Version:

A package for accessing Bible verses in Malagasy (MG), Diem, King James (KJV), and Louis Segond (APEE) versions

265 lines 164 kB
{ "1": { "1": "Ary niantso an\u2019i Mosesy i Jehovah, ka niteny taminy avy tao amin\u2019ny tranolay fihaonana hoe:", "2": "\u201cIlazao ny Israelita hoe: \u2018Raha misy aminareo te hanolotra biby fiompy ho fanatitra ho an\u2019i Jehovah, dia omby na ondry na osy aterina.", "3": "\u201c\u2018Raha omby no ateriny ho fanatitra dorana, dia tokony ho lahy tsy misy kilema ilay izy. Hatolony an-tsitrapo eo anatrehan\u2019i Jehovah, eo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolay fihaonana, ilay omby.", "4": "Dia hametraka ny tanany eo amin\u2019ny lohan\u2019ilay fanatitra dorana izy, ary hekena handrakofana ny fahotany izany.", "5": "\u201c\u2018Hovonoina eo anatrehan\u2019i Jehovah avy eo ilay vantotr\u2019ombilahy. Ary hatolotr\u2019ireo mpisorona zanakalahin\u2019i Arona ho an\u2019Andriamanitra ny ra, ka hafafiny eo amin\u2019ny lafiny rehetra amin\u2019ilay alitara, izay eo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolay fihaonana.", "6": "Hendahana ny hoditr\u2019ilay fanatitra dorana. Ary hotetitetehina ilay fanatitra avy eo.", "7": "Hanisy vainafo eo ambony alitara ireo mpisorona zanakalahin\u2019i Arona, ary handahatra kitay eo ambonin\u2019ilay afo.", "8": "Halahatr\u2019izy ireo eo ambonin\u2019ny kitay, eo amin\u2019ny afo eo ambony alitara, ilay fanatitra efa voatetitetika sy ny lohany ary ny jaborany.", "9": "Ary ny tsinainy sy ny tongony hosasana amin\u2019ny rano. Dia hodoran\u2019ny mpisorona eo ambony alitara ireo rehetra ireo mba hidona-tsetroka. Fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao anaty afo, mba ho hanitra mahafinaritra an\u2019i Jehovah.", "10": "\u201c\u2018Raha ondry na osy no ataony fanatitra dorana, dia tokony ho ondrilahy kely na osilahy tsy misy kilema no hatolony.", "11": "Hovonoina eo avaratry ny alitara, eo anatrehan\u2019i Jehovah, izany. Ary hafafin\u2019ireo mpisorona zanakalahin\u2019i Arona eo amin\u2019ny lafiny rehetra amin\u2019ny alitara ny ran\u2019ilay izy.", "12": "Hotetitetehiny ilay fanatitra, dia halahatry ny mpisorona eo ambonin\u2019ny kitay, eo amin\u2019ny afo eo ambony alitara, miaraka amin\u2019ny lohany sy ny jaborany.", "13": "Hosasany amin\u2019ny rano ny tsinainy sy ny tongony. Ary hatolotry ny mpisorona ho an\u2019Andriamanitra ireo rehetra ireo, dia hodorany eo ambony alitara mba hidona-tsetroka. Fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao anaty afo, mba ho hanitra mahafinaritra an\u2019i Jehovah.", "14": "\u201c\u2018Fa raha vorona kosa no ataony fanatitra dorana ho an\u2019i Jehovah, dia domohina na zana-boromailala no hataony fanatitra.", "15": "Hatolotry ny mpisorona eo amin\u2019ny alitara izany, ka hotsongoiny ny tendan\u2019ilay vorona mba ho tataka. Ary hodorany eo ambony alitara ilay vorona mba hidona-tsetroka, fa ny rany kosa havela hitsika eo amin\u2019ny sisin\u2019ny alitara.", "16": "Hesoriny ny takorobabony sy ny volony ka hatsipiny eo akaikin\u2019ny alitara, eo atsinanana, eo amin\u2019ny fasiana lavenona.", "17": "Ary hosamahiny eo amin\u2019ny elany ilay vorona, nefa tsy hozarainy roa. Dia hodoran\u2019ny mpisorona eo ambony alitara izany, mba hidona-tsetroka eo ambonin\u2019ny kitay, eo amin\u2019ny afo. Fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao anaty afo, mba ho hanitra mahafinaritra an\u2019i Jehovah." }, "2": { "1": "\u201c\u2018Raha misy olona manolotra fanatitra varimbazaha ho an\u2019i Jehovah, dia tokony ho lafarinina tsara toto izany, ary horarahany menaka sy hasiany ditin-kazo manitra eo amboniny.", "2": "Dia hoentiny any amin\u2019ireo mpisorona zanakalahin\u2019i Arona izany. Ary hakan\u2019ny mpisorona eran\u2019ny tanan\u2019ila ilay lafarinina tsara toto misy menaka sy ny ditin-kazo manitra rehetra. Ary hodorany eo ambony alitara izany mba hidona-tsetroka, ho santionany amin\u2019ilay fanatitra. Fanatitra atao anaty afo izany, mba ho hanitra mahafinaritra an\u2019i Jehovah.", "3": "Dia ho an\u2019i Arona sy ny zanany lahy ny ambin\u2019ilay fanatitra varimbazaha, ho zavatra masina indrindra avy amin\u2019ny fanatitra atao anaty afo ho an\u2019i Jehovah.", "4": "\u201c\u2018Raha fanatitra varimbazaha nandrahoina tao anaty lafaoro no aterinao, dia tokony hatao amin\u2019ny lafarinina tsara toto izany. Mofo boribory tsy misy lalivay sady nafangaro menaka no hatolotrao, na mofo fisaka tsy misy lalivay sady nohosorana menaka.", "5": "\u201c\u2018Raha fanatitra varimbazaha nandrahoina tao anaty lasitra no aterinao, dia tokony hatao amin\u2019ny lafarinina tsara toto tsy misy lalivay sady nafangaro menaka.", "6": "Hotapatapahina izany ary horarahanao menaka. Fanatitra varimbazaha izany.", "7": "\u201c\u2018Raha fanatitra varimbazaha nendasina tao anaty lapoaly no aterinao, dia tokony hatao amin\u2019ny lafarinina tsara toto nasiana menaka.", "8": "Hoentinao any amin\u2019i Jehovah ny fanatitra varimbazaha natao tamin\u2019ireo. Dia hatolotra ny mpisorona izany, ka hoentiny eo akaikin\u2019ny alitara.", "9": "Hakan\u2019ny mpisorona ilay fanatitra varimbazaha, ho santionany amin\u2019ilay fanatitra. Ary hodorany eo ambony alitara izany mba hidona-tsetroka, ho fanatitra atao anaty afo, mba ho hanitra mahafinaritra an\u2019i Jehovah.", "10": "Dia ho an\u2019i Arona sy ny zanany lahy ny ambin\u2019ilay fanatitra, ho zavatra masina indrindra avy amin\u2019ny fanatitra atao anaty afo ho an\u2019i Jehovah.", "11": "\u201c\u2018Tsy tokony hasiana lalivay izay fanatitra varimbazaha hatolotrareo ho an\u2019i Jehovah, satria na ny lalivay na ny tantely dia tsy tokony hodoranareo hidona-tsetroka ho fanatitra atao anaty afo ho an\u2019i Jehovah.", "12": "\u201c\u2018Azonareo atolotra ho fanatitra voaloham-bokatra ho an\u2019i Jehovah ireo, nefa tsy tokony hoentina eo amin\u2019ny alitara mba hahazoana hanitra mahafinaritra.", "13": "\u201c\u2018Tokony hasiana sira daholo ny fanatitra varimbazaha haterinao. Aza avela tsy hisy siran\u2019ny fifaneken\u2019Andriamanitrao ilay fanatitra varimbazaha. Tokony hanolotra sira miaraka amin\u2019ny fanatitrao rehetra ianao.", "14": "\u201c\u2018Raha fanatitra varimbazaha avy amin\u2019ny voaloham-bokatra no atolotrao ho an\u2019i Jehovah, dia tokony ho voa vaovao natono izany, ary nototoina nefa tsy natao vovony. Ho fanatitra varimbazaha avy amin\u2019ny voaloham-bokatrao izany.", "15": "Horarahanao menaka ilay izy, ary hasianao ditin-kazo manitra eo amboniny. Fanatitra varimbazaha izany.", "16": "Hodoran\u2019ny mpisorona mba hidona-tsetroka izany ho santionany amin\u2019ilay fanatitra, izany hoe hodorany ny ampahany amin\u2019ny voa voatoto sy ny menaka sy ny ditin-kazo manitra rehetra. Ho fanatitra atao anaty afo ho an\u2019i Jehovah izany." }, "3": { "1": "\u201c\u2018Raha misy manolotra sorona iombonana, ka ombilahy na ombivavy no ateriny, dia tokony ho biby tsy misy kilema no hatolony eo anatrehan\u2019i Jehovah.", "2": "Hametraka ny tanany eo amin\u2019ny lohan\u2019ilay fanatiny izy, ary hovonoina eo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolay fihaonana izany. Dia hafafin\u2019ireo mpisorona zanakalahin\u2019i Arona eo amin\u2019ny lafiny rehetra amin\u2019ny alitara ny ran\u2019ilay izy.", "3": "Ary hatolotr\u2019ilay olona ho fanatitra atao anaty afo ho an\u2019i Jehovah ny ampahany amin\u2019ilay sorona iombonana: Ny taviny manarona ny tsinainy, ny taviny rehetra miraikitra amin\u2019ny tsinainy,", "4": "ary ny voa roa sy ny taviny eo amboniny, izany hoe ilay eo akaikin\u2019ny tehezany. Hesoriny miaraka amin\u2019ny voa koa ny jabora eo amin\u2019ny atiny.", "5": "Hodoran\u2019ireo zanakalahin\u2019i Arona eo ambony alitara izany rehetra izany, mba hidona-tsetroka eo ambonin\u2019ny fanatitra dorana izay efa eo ambonin\u2019ny kitay, eo amin\u2019ny afo. Fanatitra atao anaty afo izany, mba ho hanitra mahafinaritra an\u2019i Jehovah.", "6": "\u201c\u2018Raha ondry na osy no aterin\u2019ilay olona ho sorona iombonana ho an\u2019i Jehovah, dia lahy na vavy tsy misy kilema no hatolony.", "7": "Raha ondrilahy kely no ateriny, dia hatolony eo anatrehan\u2019i Jehovah izany.", "8": "Hametraka ny tanany eo amin\u2019ny lohan\u2019ilay fanatiny izy, ary hovonoina eo anoloan\u2019ny tranolay fihaonana izany. Dia hafafin\u2019ireo zanakalahin\u2019i Arona eo amin\u2019ny lafiny rehetra amin\u2019ny alitara ny ran\u2019ilay izy.", "9": "Ary hatolotr\u2019ilay olona ho fanatitra atao anaty afo ho an\u2019i Jehovah ny tavin\u2019 ilay sorona iombonana. Hesoriny daholo ny rambo matavy eo akaikin\u2019ny taolan-damosin\u2019ilay ondry, ny taviny manarona ny tsinainy, ny taviny rehetra miraikitra amin\u2019ny tsinainy,", "10": "ary ny voa roa sy ny taviny eo amboniny, izany hoe ilay eo akaikin\u2019ny tehezany. Hesoriny miaraka amin\u2019ny voa koa ny jabora eo amin\u2019ny atiny.", "11": "Ary hodoran\u2019ny mpisorona eo ambony alitara izany rehetra izany mba hidona-tsetroka. Fanatitra atao anaty afo ho an\u2019i Jehovah izany sakafo izany.", "12": "\u201c\u2018Raha osy no fanatitra aterin\u2019ilay olona, dia hatolony eo anatrehan\u2019i Jehovah izany.", "13": "Hametraka ny tanany eo amin\u2019ny lohan\u2019ilay osy izy, ary hovonoina eo anoloan\u2019ny tranolay fihaonana izany. Dia hafafin\u2019ireo zanakalahin\u2019i Arona eo amin\u2019ny lafiny rehetra amin\u2019ny alitara ny ran\u2019ilay izy.", "14": "Ary izao no ampahany hatolotr\u2019ilay olona ho fanatitra atao anaty afo ho an\u2019i Jehovah: Ny taviny manarona ny tsinainy, ny taviny rehetra miraikitra amin\u2019ny tsinainy,", "15": "ary ny voa roa sy ny taviny eo amboniny, izany hoe ilay eo akaikin\u2019ny tehezany. Hesoriny miaraka amin\u2019ny voa koa ny jabora eo amin\u2019ny atiny.", "16": "Ary hodoran\u2019ny mpisorona eo ambony alitara izany rehetra izany mba hidona-tsetroka. Fanatitra atao anaty afo izany sakafo izany, ary natao mba hahazoana hanitra mahafinaritra. An\u2019i Jehovah ny taviny rehetra.", "17": "\u201c\u2018Tokony hanaraka an\u2019izao fitsipika izao foana ianareo sy ny taranakareo, any amin\u2019ny toerana rehetra ipetrahanareo: Aza mihinana tavin-kena na ra mihitsy.\u2019\u201d" }, "4": { "1": "Hoy koa i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:", "2": "\u201cIlazao ny Israelita hoe: \u2018Raha misy olona manota tsy nahy, ka manao ny iray amin\u2019ireo zavatra nandraran\u2019i Jehovah, dia izao atao:", "3": "\u201c\u2018Raha ny mpisorona voahosotra no manota ka lasa meloka ny vahoaka, dia hanolotra vantotr\u2019ombilahy tsy misy kilema ho an\u2019i Jehovah izy ho fanatitra noho ny ota, noho ilay fahotana nataony.", "4": "Hoentiny eo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolay fihaonana, eo anatrehan\u2019i Jehovah, ilay omby. Dia hametraka ny tanany eo amin\u2019ny lohan\u2019ilay omby izy, ary hamono azy eo anatrehan\u2019i Jehovah.", "5": "Hakan\u2019ilay mpisorona voahosotra avy\u00a0eo ny ran\u2019ilay omby, ka hoentiny ao amin\u2019ny tranolay fihaonana.", "6": "Dia hatsobok\u2019ilay mpisorona ao anaty ra ny rantsantanany iray, ary hafafiny impito eo anatrehan\u2019i Jehovah ilay ra. Eo anoloan\u2019ny ridao ao amin\u2019ny toerana masina no hamafazany an\u2019izany.", "7": "Ny ra sasany dia hahosotr\u2019ilay mpisorona eo amin\u2019ireo tandroky ny alitara fandoroana emboka manitra, izay eo anatrehan\u2019i Jehovah ao amin\u2019ny tranolay fihaonana. Ary ny ambin\u2019ny ran\u2019ilay omby dia hararany eo am-pototry ny alitara fanaovana fanatitra dorana, eo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolay fihaonana.", "8": "\u201c\u2018Hesorin\u2019ilay mpisorona avy\u00a0eo ny taviny rehetra amin\u2019ilay omby atao fanatitra noho ny ota, dia ny taviny manarona ny tsinainy, ny taviny rehetra miraikitra amin\u2019ny tsinainy,", "9": "ary ny voa roa sy ny taviny eo amboniny, izany hoe ilay eo akaikin\u2019ny tehezany. Hesoriny miaraka amin\u2019ny voa koa ny jabora eo amin\u2019ny atiny.", "10": "Mitovy amin\u2019izay esorina amin\u2019ny omby atao sorona iombonana ihany no hesorina. Ary hodoran\u2019ny mpisorona eo ambony alitara fanaovana fanatitra dorana ireo, mba hidona-tsetroka.", "11": "\u201c\u2018Fa ny hoditr\u2019ilay omby kosa, sy ny henany rehetra, sy ny lohany, sy ny tongony, sy ny tsinainy, ary ny tainy\u2014", "12": "ny ambiny rehetra amin\u2019ilay omby\u2014dia hasainy entina any ivelan\u2019ny toby, eo amin\u2019ny toerana madio fanariana ny lavenona. Ary hodorany eo ambonin\u2019ny kitay izany. Eo amin\u2019izay anariana ny lavenona no handoroana azy.", "13": "\u201c\u2018Raha ny vahoakan\u2019Israely manontolo no meloka ho nanota tsy nahy, nefa tsy fantatry ny fiangonana hoe nanao zavatra nandraran\u2019i Jehovah izy ireo,", "14": "ary fantatra avy eo ilay fahotana, dia hanolotra vantotr\u2019ombilahy ny fiangonana ho fanatitra noho ny ota. Hoentiny eo anoloan\u2019ny tranolay fihaonana izany.", "15": "Dia hametraka ny tanany eo amin\u2019ny lohan\u2019ilay omby, eo anatrehan\u2019i Jehovah, ny anti-panahy eo amin\u2019ny vahoaka. Ary hovonoina eo anatrehan\u2019i Jehovah ilay omby.", "16": "\u201c\u2018Dia hakan\u2019ilay mpisorona voahosotra ny ran\u2019ilay omby, ka hoentiny ao amin\u2019ny tranolay fihaonana.", "17": "Dia hatsobony ao anaty ra ny rantsantanany iray, ary hafafiny impito eo anatrehan\u2019i Jehovah, eo anoloan\u2019ny ridao, ilay ra.", "18": "Ny ra sasany dia hahosotr\u2019ilay mpisorona eo amin\u2019ireo tandrok\u2019ilay alitara eo anatrehan\u2019i Jehovah, izany hoe ilay alitara ao amin\u2019ny tranolay fihaonana. Ary ny ra ambiny rehetra dia hararany eo am-pototry ny alitara fanaovana fanatitra dorana, izay eo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolay fihaonana.", "19": "Hesoriny daholo ny tavin\u2019ilay omby, ka hodorany eo ambony alitara mba hidona-tsetroka.", "20": "Mitovy amin\u2019izay nataony tamin\u2019ny omby natao fanatitra noho ny ota ihany no hataony amin\u2019ilay omby. Izany no fomba hanaovany azy. Ary handrakotra ny fahotan\u2019ny vahoaka ilay mpisorona, ka ho voavela ny helok\u2019izy ireo.", "21": "Hasainy entina eny ivelan\u2019ny toby ilay omby, ka hodorany toy ny nandoroany an\u2019ilay omby voalohany. Fanatitra noho ny ota ho an\u2019ny fiangonana izany.", "22": "\u201c\u2018Raha mpiadidy no manota tsy nahy satria nanao ny iray amin\u2019ireo zavatra andraran\u2019i Jehovah Andriamaniny, ka meloka,", "23": "na koa lasa fantany fa nanota izy satria nisy didy nodikainy, dia hitondra osilahy kely tsy misy kilema izy ho fanatitra.", "24": "Ary hametraka ny tanany eo amin\u2019ny lohan\u2019ilay zanak\u2019osy izy, ka hamono azy eo amin\u2019ny toerana famonoana ny fanatitra dorana, eo anatrehan\u2019i Jehovah. Fanatitra noho ny ota izany.", "25": "Hakan\u2019ny mpisorona amin\u2019ny rantsantanany iray ny ran\u2019ny fanatitra noho ny ota, ka hahosony eo amin\u2019ireo tandroky ny alitara fanaovana fanatitra dorana. Dia hararany eo am-pototr\u2019io alitara io ny ambin\u2019ilay ra.", "26": "Ary hodorany eo ambony alitara mba hidona-tsetroka ny taviny rehetra amin\u2019ilay fanatitra, toy ny nataony tamin\u2019ny tavin\u2019ny sorona iombonana. Ary handrakotra ny fahotan\u2019ilay mpiadidy ilay mpisorona, ka ho voavela ny helony.", "27": "\u201c\u2018Raha ny iray amin\u2019ny sarambabem-bahoaka no manota tsy nahy ary meloka satria nanao ny iray amin\u2019ireo zavatra andraran\u2019i Jehovah,", "28": "na koa lasa fantany hoe nanota izy, dia hitondra osivavy kely tsy misy kilema ho fanatitra izy, noho ilay ota nataony.", "29": "Ary hametraka ny tanany eo amin\u2019ny lohan\u2019ilay fanatitra noho ny ota izy, ka hamono azy eo amin\u2019ny toerana famonoana ny fanatitra dorana.", "30": "Hakan\u2019ny mpisorona amin\u2019ny rantsantanany iray ny ra, ka hahosony eo amin\u2019ireo tandroky ny alitara fanaovana fanatitra dorana. Ary hararany eo am-pototry ny alitara ny ambin\u2019ilay ra.", "31": "Dia hesoriny daholo ny tavin\u2019ilay fanatitra, hoatran\u2019ny nanesorana ny tavin\u2019ny sorona iombonana. Hodorany eo ambony alitara izany mba hidona-tsetroka, ho hanitra mahafinaritra an\u2019i Jehovah. Ary handrakotra ny fahotan\u2019ilay olona ny mpisorona, ka ho voavela ny helony.", "32": "\u201c\u2018Raha zanak\u2019ondry kosa no atolony ho fanatitra noho ny ota, dia tokony ho vavy tsy misy kilema izany.", "33": "Ary hametraka ny tanany eo amin\u2019ny lohan\u2019ilay fanatitra izy, ka hamono azy ho fanatitra noho ny ota, eo amin\u2019ny toerana famonoana ny fanatitra dorana.", "34": "Hakan\u2019ny mpisorona amin\u2019ny rantsantanany iray ny ran\u2019ny fanatitra noho ny ota, ka hahosony eo amin\u2019ireo tandroky ny alitara fanaovana fanatitra dorana. Ary hararany eo am-pototry ny alitara ny ambin\u2019ilay ra.", "35": "Dia hesoriny daholo ny tavin\u2019ilay fanatitra, sahala amin\u2019ny fanalana ny tavin\u2019ny vantotr\u2019ondrilahy atao sorona iombonana. Ary hodoran\u2019ny mpisorona ireo mba hidona-tsetroka eo ambony alitara, eo ambonin\u2019ny fanatitra atao anaty afo ho an\u2019i Jehovah. Ary handrakotra ny fahotan\u2019ilay olona ny mpisorona, ka ho voavela ny helony." }, "5": { "1": "\u201c\u2018Raha misy aminareo nahita olona nanao ratsy, na mahafantatra ny nataon\u2019ilay olona, na vavolombelon\u2019izany, ary naheno antso avo mba hijoro ho vavolombelona nefa tsy milaza an\u2019izay fantany, dia manota izy ka hizaka ny vokatry ny fahadisoany.", "2": "\u201c\u2018Na, raha misy olona mikasika zavatra maloto, toy ny fatina biby\u00a0maloto, na bibidia izany, na biby fiompy, na bibikely mifanaretsaka, dia maloto izy ka meloka na dia tsy fantany aza izany.", "3": "Na, raha misy mahakasika zavatra na olona maloto\u2014na inona na inona zavatra maloto mety hahatonga azy haloto\u2014nefa tsy fantany hoe nanao an\u2019izany izy, ary avy eo lasa fantany, dia meloka ihany izy.", "4": "\u201c\u2018Na, raha misy olona maimaika mianiana\u2014hanao zavatra tsara na ratsy, na inona izany na inona\u2014ary tsy tonga saina akory izy hoe maimaika nianiana, nefa lasa tsapany izany at\u1ef3 aoriana, dia meloka ihany izy.", "5": "\u201c\u2018Raha meloka ho nanao ny iray amin\u2019ireo zavatra ireo izy, dia tsy maintsy miaiky hoe inona ny fahotana nataony.", "6": "Hitondra fanatitra noho ny heloka ho an\u2019i Jehovah koa izy noho ny ota nataony, ka ondrivavy kely na osivavy kely no hoentiny ho fanatitra noho ny ota. Dia handrakotra ny fahotany ny mpisorona.", "7": "\u201c\u2018Fa raha tsy takatry ny volany ny ondry na osy, dia domohina roa na zana-boromailala roa no hoentiny ho an\u2019i Jehovah, ho fanatitra noho ny heloka, noho ilay fahotany: Ny vorona iray ho fanatitra noho ny ota, ary ny iray ho fanatitra dorana.", "8": "Ary hoentiny any amin\u2019ny mpisorona ireo, ka ilay fanatitra noho ny ota aloha no hatolotr\u2019ilay mpisorona. Dia hotsongoiny ny eo anoloana amin\u2019ny tendan\u2019ilay vorona mba ho tataka, fa tsy hotapahiny.", "9": "Ary haka amin\u2019ny ran\u2019ilay fanatitra noho ny ota izy, ka hafafiny eo amin\u2019ny sisin\u2019ny alitara, fa ny ambin\u2019ilay ra kosa havelany hitsika eo am-pototry ny alitara. Fanatitra noho ny ota izany.", "10": "Hatolony ho fanatitra dorana kosa ilay vorona anankiray, ka hataony araka ny efa fanao. Ary handrakotra ny fahotany ny mpisorona, ka ho voavela ny helony.", "11": "\u201c\u2018Raha mbola tsy takatry ny volany ny domohina roa na ny zana-boromailala roa, dia lafarinina tsara toto ampahafolon\u2019ny efaha no hoentiny ho fanatitra noho ny ota, noho ny fahotana nataony. Tsy hampiany menaka ilay izy na hasiany ditin-kazo manitra eo amboniny, satria fanatitra noho ny ota izany.", "12": "Ary hoentiny any amin\u2019ny mpisorona izany, ka hakan\u2019ny mpisorona eran\u2019ny tanan\u2019ila ho santionany amin\u2019ilay fanatitra, ary hodorany mba hidona-tsetroka eo ambony alitara, eo ambonin\u2019ny fanatitra atao anaty afo ho an\u2019i Jehovah. Fanatitra noho ny ota izany.", "13": "Handrakotra ny fahotan\u2019ilay olona ny mpisorona, noho izy nanao ny iray amin\u2019ireo fahotana ireo, ka ho voavela ny helony. Ary ho an\u2019ny mpisorona ny ambin\u2019ilay fanatitra, toy ny amin\u2019ny fanatitra varimbazaha.\u2019\u201d", "14": "Hoy koa i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:", "15": "\u201cRaha misy olona mivadika ka manota tsy nahy amin\u2019ny zava-masin\u2019i Jehovah, dia hitondra ondrilahy tsy misy kilema ho an\u2019i Jehovah izy, ho fanatitra noho ny heloka. Tokony ho sekely volafotsy, araka ny sekely fampiasa ao amin\u2019ny toerana masina, no hanombanana ny vidin\u2019ilay ondry.", "16": "Hanonitra an\u2019izay fahotana nataony tamin\u2019ny toerana masina ilay olona, ary mbola hanampy ampahadimin\u2019izay tokony homeny. Dia homeny an\u2019ilay mpisorona izany. Amin\u2019izay ilay mpisorona dia ho afaka handrakotra ny fahotan\u2019ilay olona amin\u2019ny alalan\u2019ilay ondrilahy atao fanatitra noho ny heloka. Dia ho voavela ny helony.", "17": "\u201cRaha misy olona manota, ka manao ny iray amin\u2019ireo zavatra andraran\u2019i Jehovah, na dia tsy fantany aza izany, dia meloka ihany izy ka hizaka ny vokatry ny fahadisoany.", "18": "Hitondra ondrilahy tsy misy kilema any amin\u2019ny mpisorona izy, ho fanatitra noho ny heloka. Tokony ho araka ny vidiny hanombanana azy ny vidin\u2019ilay ondry. Ary ny mpisorona handrakotra ny fahotan\u2019ilay olona noho ny fahadisoana tsy nahy nataony nefa tsy fantany. Dia ho voavela ny helony.", "19": "Fanatitra noho ny heloka izany. Tena meloka ho nanota tamin\u2019i Jehovah izy.\u201d" }, "6": { "1": "Hoy koa i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:", "2": "\u201cRaha misy olona manota ka mivadika amin\u2019i Jehovah, izany hoe mamitaka ny namany momba ny zavatra nampiandraiketina azy na napetraka tany aminy, na mangalatra na manambaka ny namany,", "3": "na mahita zavatra very ka mandainga momba izany, ary raha mianiana lainga izy rehefa avy nanao ny iray amin\u2019ireo fahotana ireo, dia izao no tokony hataony:", "4": "Raha nanota izy ka meloka, dia haveriny ilay zavatra nangalariny, na nalainy an-keriny, na nalainy tamin\u2019ny fanambakana, na nampiandraiketina azy, na ilay zavatra very ka hitany,", "5": "na izay zavatra nianianany lainga. Honerany manontolo izany, sady mbola hampiany ampahadimin\u2019ny vidiny. Homeny an\u2019ilay tompony izany amin\u2019ny andro ahitana fa meloka izy.", "6": "Ary hitondra ondrilahy tsy misy kilema any amin\u2019ny mpisorona izy, ho fanatitra noho ny heloka ho an\u2019i Jehovah. Tokony ho araka ny vidiny hanombanana azy izany, ho fanatitra noho ny heloka.", "7": "Handrakotra ny fahotan\u2019ilay olona eo anatrehan\u2019i Jehovah ny mpisorona, dia ho voavela ny helony, na inona na inona mety ho nataony ka nahatonga azy ho meloka.\u201d", "8": "Niteny tamin\u2019i Mosesy koa i Jehovah hoe:", "9": "\u201cIzao didy izao no holazainao amin\u2019i Arona sy ny zanany lahy: \u2018Izao no lal\u00e0na momba ny fanatitra dorana: Hajanona eo amin\u2019ny fitoeran\u2019afo eo ambony alitara ilay fanatitra, mandritra ny alina mandra-paharainan\u2019ny andro. Ary tokony hatao foana izay hampirehitra ny afo eo ambony alitara.", "10": "Ary ny mpisorona hanao akanjo fisoronana vita amin\u2019ny lamba rongony, sy kilaoty lava vita amin\u2019ny lamba rongony hanaronana ny fitanjahany. Dia hesoriny ny lavenona avy amin\u2019ny fanatitra dorana, izay nolevonin\u2019ny afo teo ambony alitara, ka hataony eo akaikin\u2019ny alitara.", "11": "Ary hesoriny ny akanjony ka hosoloany hafa. Dia hoentiny eny amin\u2019ny toerana madio, any ivelan\u2019ny toby, ny lavenona.", "12": "Tokony hatao foana izay hampirehitra ny afo eo ambony alitara, fa tsy tokony havela ho faty izany. Hanampy kitay eo isa-maraina ny mpisorona, sady handahatra ny fanatitra dorana eo amboniny. Ary hodorany eo ambonin\u2019ilay afo ny tavin\u2019ny sorona iombonana mba hidona-tsetroka.", "13": "Tokony hatao foana izay hampirehitra ny afo eo ambony alitara, fa tsy tokony havela ho faty izany.", "14": "\u201c\u2018Izao no lal\u00e0na momba ny fanatitra varimbazaha: Ianareo zanakalahin\u2019i Arona no hanolotra an\u2019ilay fanatitra eo anatrehan\u2019i Jehovah eo anoloan\u2019ny alitara.", "15": "Ny iray amin\u2019izy ireo dia haka lafarinina tsara toto eran\u2019ny tanan\u2019ila avy amin\u2019ny fanatitra varimbazaha, ary haka amin\u2019ilay menaka sy ny ditin-kazo manitra rehetra eo ambonin\u2019ilay fanatitra. Ary hodorany hidona-tsetroka eo ambony alitara ireo, ka hamoaka hanitra mahafinaritra mba ho santionany amin\u2019ilay fanatitra ho an\u2019i Jehovah.", "16": "Ary hohanin\u2019i Arona sy ny zanany lahy ny ambin\u2019ilay fanatitra. Hanamboarany mofo tsy misy lalivay izany, ary hohaniny ao amin\u2019izay toerana masina. Eo an-tokotanin\u2019ny tranolay fihaonana no hihinanany azy.", "17": "Hatao ao anaty lafaoro izany sady tsy tokony hasiana lalivay. Omeko azy ireo izany ho anjarany avy amin\u2019ny fanatitra atao anaty afo aterina ho ahy. Zavatra masina indrindra izany, toy ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra noho ny heloka.", "18": "Ny lehilahy rehetra taranak\u2019i Arona no hihinana an\u2019izany. Ho anjarany mandrakizay, hatramin\u2019ny taranakareo fara aman-dimby izany, avy amin\u2019ny fanatitra atao anaty afo ho an\u2019i Jehovah. Ho masina ny zava-drehetra mifampikasika amin\u2019ireny.\u2019\u201d", "19": "Hoy koa i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:", "20": "\u201cIzao no fanatitra hatolotr\u2019i Arona sy ny zanany lahy ho an\u2019i Jehovah amin\u2019ny andro anosorana an\u2019i Arona ho mpisorona: Lafarinina tsara toto ampahafolon\u2019ny efaha, ho fanatitra varimbazaha atolotra tsy tapaka, ka ny antsasany amin\u2019ny maraina ary ny antsasany amin\u2019ny hariva.", "21": "Handrahoina ao anaty lasitra ilay izy rehefa avy nasiana menaka, ary afangaroy tsara amin\u2019ny menaka aloha vao hoentinao. Dia tapatapaho ilay mofo, izany hoe ilay fanatitra varimbazaha efa masaka, ka atolory mba ho hanitra mahafinaritra an\u2019i Jehovah.", "22": "Izay mpisorona zanakalahin\u2019i Arona ka voahosotra handimby azy no hanao an\u2019izany. Ary izao foana no fitsipika tokony harahinareo: Hodorana manontolo ilay fanatitra mba hidona-tsetroka ho an\u2019i Jehovah.", "23": "Tokony hodorana manontolo ny fanatitra varimbazaha rehetra ho an\u2019ny mpisorona, fa tsy tokony hohanina.\u201d", "24": "Niteny tamin\u2019i Mosesy koa i Jehovah hoe:", "25": "\u201cLazao amin\u2019i Arona sy ny zanany lahy hoe: \u2018Izao no lal\u00e0na momba ny fanatitra noho ny ota: Eo amin\u2019ny toerana famonoana ny fanatitra dorana no hovonoina eo anatrehan\u2019i Jehovah ny fanatitra noho ny ota. Zavatra masina indrindra izany.", "26": "Ilay mpisorona manolotra an\u2019ilay fanatitra noho ny ota no hihinana an\u2019ilay izy ao amin\u2019izay toerana masina, eo an-tokotanin\u2019ny tranolay fihaonana.", "27": "\u201c\u2018Ho masina ny zava-drehetra mifampikasika amin\u2019ny hena atao fanatitra. Ary raha misy akanjo ipitihan\u2019ny ran\u2019ilay fanatitra, dia hosasanao ao amin\u2019izay toerana masina ilay akanjo.", "28": "Hopotipotehina ny vilany tany nandrahoana an\u2019ilay hena. Raha vilany varahina kosa no nandrahoana azy, dia hokikisana ilay izy ary hosasana amin\u2019ny rano.", "29": "\u201c\u2018Ny lehilahy mpisorona rehetra no hihinana an\u2019ilay fanatitra. Zavatra masina indrindra izany.", "30": "Tsy tokony hohanina anefa ny fanatitra noho ny ota, raha nakana ra hoentina ao amin\u2019ny tranolay fihaonana mba handrakofam-pahotana ao amin\u2019ny toerana masina. Hodorana kosa ilay fanatitra." }, "7": { "1": "\u201c\u2018Izao no lal\u00e0na momba ny fanatitra noho ny heloka: Zavatra masina indrindra izany.", "2": "Hovonoina eo amin\u2019ny toerana famonoana an\u2019ireo fanatitra dorana ny fanatitra noho ny heloka, ary hafafy eo amin\u2019ny lafiny rehetra amin\u2019ny alitara ny ran\u2019ilay izy.", "3": "Hatolotr\u2019ilay olona ny taviny rehetra amin\u2019ilay fanatitra, dia ny rambony matavy, sy ny taviny manarona ny tsinainy,", "4": "ary ny voa roa sy ny taviny eo akaikin\u2019ny tehezany. Hesoriny miaraka amin\u2019ny voa koa ny jabora eo amin\u2019ny atiny.", "5": "Dia hodoran\u2019ny mpisorona eo ambony alitara ireo mba hidona-tsetroka, ho fanatitra atao anaty afo ho an\u2019i Jehovah. Fanatitra noho ny heloka izany.", "6": "Ny lehilahy mpisorona rehetra no hihinana an\u2019izany, ka ao amin\u2019izay toerana masina no hihinanany azy. Zavatra masina indrindra izany.", "7": "Mitovy ihany ny lal\u00e0na momba ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra noho ny heloka: Ho an\u2019ilay mpisorona manao an\u2019ilay fanatitra mba handrakofana fahotana ny henan\u2019ilay izy.", "8": "\u201c\u2018Rehefa manolotra fanatitra dorana aterin\u2019olona ny mpisorona, dia ho lasany ny hoditr\u2019izany fanatitra izany.", "9": "\u201c\u2018Ny fanatitra varimbazaha rehetra izay nandrahoina tao anaty lafaoro, na nendasina tao anaty lapoaly, na nandrahoina tao anaty lasitra, dia an\u2019ilay mpisorona manolotra azy. Ho lasany izany.", "10": "Fa ny fanatitra varimbazaha rehetra nafangaro menaka na ny maina kosa, dia ho an\u2019ny zanakalahin\u2019i Arona rehetra. Hitovy ny anjaran\u2019ny tsirairay.", "11": "\u201c\u2018Izao kosa no lal\u00e0na momba ny sorona iombonana azon\u2019ny olona atolotra ho an\u2019i Jehovah:", "12": "Raha ho fisaorana no anolorana azy, dia ireto avy no hampiarahina amin\u2019ilay sorona: Mofo boribory tsy misy lalivay sady nafangaro menaka, sy mofo fisaka tsy misy lalivay sady nohosorana menaka, ary mofo boribory natao tamin\u2019ny lafarinina tsara toto efa vonto menaka sady nafangaro menaka.", "13": "Hatolotra miaraka amin\u2019ny mofo boribory misy lalivay ilay fanatitra, ary hatolotra miaraka amin\u2019ny sorona iombonana atao sorona fisaorana.", "14": "Hakana iray\u00a0avy ireo karazana mofo ireo, ka hatolotra ho anjara masina ho an\u2019i Jehovah. Dia ho an\u2019ilay mpisorona mamafy ny ran\u2019ny sorona iombonana izany.", "15": "Hohanina amin\u2019ny andro anolorana azy ny henan\u2019ny sorona iombonana atao sorona fisaorana, fa tsy tokony hisy hotehirizina mandra-paharainan\u2019ny andro.", "16": "\u201c\u2018Raha fanatitra fanefana voady na fanatitra an-tsitrapo ny sorona atolotra, dia amin\u2019ny andro anolorana an\u2019ilay sorona no ihinanana azy. Azo hanina ny ampitso koa ny ambiny.", "17": "Izay henan\u2019ilay sorona tavela amin\u2019ny andro fahatelo kosa dia hodorana.", "18": "Raha misy amin\u2019ny henan\u2019ilay sorona iombonana anefa hohanina amin\u2019ny andro fahatelo, dia tsy hahazo sitraka ilay nanolotra an\u2019izany. Hatao toy ny hoe tsy nataony ilay fanatitra. Maharikoriko izany, ary hizaka ny vokatry ny fahadisoany izay mihinana amin\u2019izany.", "19": "Tsy tokony hohanina izay hena mikasika zavatra maloto, fa hodorana. Izay hena madio kosa azon\u2019izay olona madio hanina.", "20": "\u201c\u2018Izay olona maloto nefa mihinana ny henan\u2019ny sorona iombonana ho an\u2019i Jehovah, dia haringana tsy ho anisan\u2019ny fireneny.", "21": "Raha misy olona mikasika zavatra maloto, na fahalotoan\u2019olona izany na biby maloto na zava-maharikoriko sady maloto, nefa mihinana amin\u2019ny henan\u2019ny sorona iombonana ho an\u2019i Jehovah, dia haringana tsy ho anisan\u2019ny fireneny.\u2019\u201d", "22": "Hoy koa i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:", "23": "\u201cIlazao ny Israelita hoe: \u2018Aza mihinana tavin-ken\u2019omby, na tavin-kenan\u2019ny vantotr\u2019ondrilahy, na tavin-kenan\u2019osy.", "24": "Azo ampiasaina amin-javatra hafa ny tavin\u2019ny biby maty ho\u00a0azy na novonoin\u2019ny biby hafa, fa tsy azo hanina mihitsy.", "25": "Fa izay mihinana amin\u2019ny tavin\u2019ny biby atolony ho fanatitra atao anaty afo ho an\u2019i Jehovah, dia haringana tsy ho anisan\u2019ny fireneny.", "26": "\u201c\u2018Aza mihinana ra, na ram-borona izany na ram-biby hafa, any amin\u2019ny toerana rehetra ipetrahanareo.", "27": "Izay mihinana ra, na ran\u2019inona izany na ran\u2019inona, dia haringana tsy ho anisan\u2019ny fireneny.\u2019\u201d", "28": "Niteny tamin\u2019i Mosesy koa i Jehovah hoe:", "29": "\u201cIlazao ny Israelita hoe: \u2018Izay manolotra sorona iombonana ho an\u2019i Jehovah dia haka ampahany amin\u2019izany mba hateriny ho an\u2019i Jehovah.", "30": "Ary hoentiny eny an-tanany ny tavin-kena sy ny tratran\u2019ilay biby mba ho fanatitra atao anaty afo ho an\u2019i Jehovah. Dia hahetsiketsiny ho fanatitra ahetsiketsika eo anatrehan\u2019i Jehovah ireo.", "31": "Ary hodoran\u2019ny mpisorona eo ambony alitara ny tavin-kena mba hidona-tsetroka, fa ny tratrany kosa ho an\u2019i Arona sy ny zanany lahy.", "32": "\u201c\u2018Homenareo ho anjara masina ho an\u2019ny mpisorona ny fe ankavanan\u2019ny sorona iombonana hatolotrareo.", "33": "Ho anjaran\u2019ilay zanakalahin\u2019i Arona manolotra ny ran\u2019ny sorona iombonana sy ny tavin-kena ilay fe ankavanana.", "34": "Fa alaiko avy amin\u2019ny sorona iombonana aterin\u2019ny Israelita ny tratra izay atao fanatitra ahetsiketsika sy ny fe izay atao anjara masina, ka homeko an\u2019i Arona mpisorona sy ny zanany lahy. Fitsipika tokony harahin\u2019ny Israelita foana izany.", "35": "\u201c\u2018Izany no ampahany avy amin\u2019ny fanatitra atao anaty afo ho an\u2019i Jehovah izay natokana ho an\u2019ny mpisorona, dia i Arona sy ny zanany lahy, tamin\u2019ilay andro nanaovana azy ireo ho mpisorona teo anatrehan\u2019i Jehovah.", "36": "Nanome didy i Jehovah hoe tokony homen\u2019ny Israelita azy ireo izany anjara izany, amin\u2019ny andro anosorany azy\u00a0ireo ho mpisorona. Fitsipika manan-kery foana izany, ka tokony harahin\u2019izy ireo sy ny taranany.\u2019\u201d", "37": "Izany no lal\u00e0na momba ny fanatitra dorana, ny fanatitra varimbazaha, ny fanatitra noho ny ota, ny fanatitra noho ny heloka, ny sorona atao rehefa hanendry mpisorona, ary ny sorona iombonana,", "38": "araka ny didy nomen\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy teo amin\u2019ny Tendrombohitra Sinay, tamin\u2019ny andro nandidiany ny Israelita mba hanolotra fanatitra ho an\u2019i Jehovah tany an-tany efitr\u2019i Sinay." }, "8": { "1": "Hoy koa i Jehovah tamin\u2019i Mosesy:", "2": "\u201cEnto i Arona sy ny zanany lahy, ny akanjo, ny menaka masina fanosorana, ny omby atao fanatitra noho ny ota, ny ondrilahy roa, ary ny harona fasiana mofo tsy misy lalivay.", "3": "Ary vorio eo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolay fihaonana ny vahoaka manontolo.\u201d", "4": "Dia nataon\u2019i Mosesy izay nandidian\u2019i Jehovah azy, ka nivory teo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolay fihaonana ny vahoaka.", "5": "Ary hoy i Mosesy tamin\u2019izy ireo: \u201cIzao no asain\u2019i Jehovah ataontsika.\u201d", "6": "Koa nasain\u2019i Mosesy nanatona i Arona sy ny zanany lahy, dia nosasany tamin\u2019ny rano.", "7": "Ary nampanaoviny an\u2019i Arona ny akanjo lava, sy ny fehikibo lamba, sy ny akanjo ivelany tsy misy tanany, ary ny efoda. Dia nofatorany ny fehikibo vita tenona, izany hoe ny fehikibon\u2019ilay efoda, mba hipetraka tsara ilay efoda.", "8": "Nampanaoviny azy avy eo ny saron-tratra, ary nataony tao amin\u2019ilay saron-tratra ny Orima sy ny Tomima.", "9": "Dia napetrany teo amin\u2019ny lohan\u2019i Arona ny satroka lamba, ary nataony teo anoloana tamin\u2019ilay satroka ny takela-bolamena mamirapiratra, izany hoe ilay famantarana masina hoe voatokana izy, araka ny didy nomen\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy.", "10": "Dia nalain\u2019i Mosesy ny menaka masina fanosorana, ary nohosorany ny tranolay masina sy ny zava-drehetra tao, ka nohamasininy.", "11": "Dia naka tamin\u2019ilay menaka izy, ka nafafiny impito teo ambony alitara. Ary nohosorany ny alitara sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy, ary ny kovetabe sy ny tongony, mba hanamasinana an\u2019ireo.", "12": "Farany, dia nandrarahany tamin\u2019ilay menaka masina fanosorana ny lohan\u2019i Arona, ka nohosorany izy mba hanamasinana azy.", "13": "Dia nasain\u2019i Mosesy nanatona ireo zanakalahin\u2019i Arona ka nampanaoviny akanjo lava sy fehikibo lamba. Ary nataony teo amin\u2019ny lohan\u2019izy ireo ny fehiloha, araka ny didy nomen\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy.", "14": "Dia nentin\u2019i Mosesy ny omby atao fanatitra noho ny ota. Ary nametraka ny tanany teo amin\u2019ny lohan\u2019ilay omby i Arona sy ny zanany lahy.", "15": "Dia novonoin\u2019i Mosesy ilay omby, ary nakany tamin\u2019ny rantsantanany iray ny ra, ka nahosony teo amin\u2019ireo tandroky ny alitara teo amin\u2019ny zorony efatra. Ary nodioviny ho afaka tamin\u2019ny ota ny alitara. Fa ny ambin\u2019ilay ra kosa nararany teo am-pototry ny alitara mba hanamasinany azy. Amin\u2019izay dia azo anaovana sorona ho fandrakofam-pahotana eo amboniny.", "16": "Avy eo dia nalain\u2019i Mosesy daholo ny taviny teo amin\u2019ny tsinain\u2019ilay omby sy ny jabora teo amin\u2019ny atiny ary ny voa roa sy ny tavin\u2019ireo, ka nodorany teo ambony alitara mba hidona-tsetroka.", "17": "Dia nasainy nodorana tany ivelan\u2019ny toby ny ambin\u2019ilay omby, anisan\u2019izany ny hodiny sy ny henany ary ny tainy, araka ny didy nomen\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy.", "18": "Ary nampanatoniny ny ondrilahy atao fanatitra dorana. Dia nametraka ny tanany teo amin\u2019ny lohan\u2019ilay ondrilahy i Arona sy ny zanany lahy.", "19": "Novonoin\u2019i Mosesy avy\u00a0eo ilay ondry, ary nafafiny teo amin\u2019ny lafiny rehetra tamin\u2019ny alitara ny ran\u2019ilay izy.", "20": "Notetitetehiny ilay ondrilahy, ka nodorany mba hidona-tsetroka ny lohany sy ny vatany efa voatetitetika ary ny jaborany.", "21": "Ary nosasany tamin\u2019ny rano ny tsinain\u2019ilay ondry sy ny ranjony. Dia nodoran\u2019i Mosesy teo ambony alitara ilay ondrilahy manontolo mba hidona-tsetroka. Fanatitra dorana izany mba hamoaka hanitra mahafinaritra. Fanatitra atao anaty afo ho an\u2019i Jehovah izany, araka ny didy nomen\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy.", "22": "Dia nampanatoniny ilay ondrilahy faharoa, izay atao sorona mba hanendrena mpisorona. Ary nametraka ny tanany teo amin\u2019ny lohan\u2019ilay ondry i Arona sy ny zanany lahy.", "23": "Novonoin\u2019i Mosesy ilay ondry ary nakany ny rany, dia nataony teo amin\u2019ny ravintsofin\u2019i Arona ankavanana sy ny ankiben-tanany ankavanana ary ny ankiben-tongony ankavanana.", "24": "Avy eo dia nasain\u2019i Mosesy nanatona ireo zanakalahin\u2019i Arona, ary nasiany ra ny ravintsofin\u2019izy ireo ankavanana sy ny ankiben-tanany ankavanana ary ny ankiben-tongony ankavanana. Ny ambin\u2019ilay ra kosa nafafiny teo amin\u2019ny lafiny rehetra tamin\u2019ilay alitara.", "25": "Dia nalainy ny tavin\u2019ilay ondry, izany hoe ny rambony matavy, ny taviny rehetra teo amin\u2019ny tsinainy, ny jabora teo amin\u2019ny atiny, ny voa roa sy ny tavin\u2019ireo, ary ny feny ankavanana.", "26": "Ary naka mofo tao amin\u2019ny harona fasiana mofo tsy misy lalivay teo anatrehan\u2019i Jehovah izy, dia mofo boribory iray tsy misy lalivay, sy mofo boribory iray misy menaka, ary mofo fisaka iray. Dia napetrany teo ambonin\u2019ny tavin\u2019ilay ondry sy ilay feny ankavanana ireo.", "27": "Avy eo dia napetrany teo amin\u2019ny felatanan\u2019i Arona sy ny zanany lahy ireo rehetra ireo, ka nahetsiketsiny ho fanatitra ahetsiketsika teo anatrehan\u2019i Jehovah.", "28": "Dia nalain\u2019i Mosesy teny an-tanan\u2019izy ireo izany ka nodorany teo ambony alitara, teo ambonin\u2019ny fanatitra dorana, mba hidona-tsetroka. Sorona atao mba hanendrena mpisorona izany, ho hanitra mahafinaritra. Fanatitra atao anaty afo ho an\u2019i Jehovah izany.", "29": "Dia nalain\u2019i Mosesy ny tratran\u2019ilay ondry, ka nahetsiketsiny ho fanatitra ahetsiketsika teo anatrehan\u2019i Jehovah. Anjaran\u2019i Mosesy avy tamin\u2019ilay ondrilahy natao sorona mba hanendrena mpisorona izany, araka ny didy nomen\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy.", "30": "Ary nakan\u2019i Mosesy ny menaka masina fanosorana sy ny ra teo ambony alitara, ka nafafiny tamin\u2019i Arona sy ny akanjony, sy tamin\u2019ny zanany lahy sy ny akanjon\u2019izy ireo. Toy izany no nanamasinany an\u2019i Arona sy ny akanjony, ary ny zanany lahy sy ny akanjon\u2019izy ireo.", "31": "Dia hoy i Mosesy tamin\u2019i Arona sy ny zanany lahy: \u201cAndrahoy eo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolay fihaonana ny hena, ary eo ianareo no hihinana azy, miaraka amin\u2019ny mofo avy ao anatin\u2019ilay harona fampiasa rehefa manendry mpisorona. Izao mantsy ny didy nomena ahy: \u2018I Arona sy ny zanany lahy no hihinana an\u2019izany.\u2019", "32": "Hodoranareo ny ambin\u2019ny hena sy ny mofo.", "33": "Ary aza miala eo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolay fihaonana mandritra ny fito andro, mandra-pahatapitry ny andro anendrena anareo ho mpisorona. Haharitra fito andro mantsy ny fanendrena anareo ho mpisorona.", "34": "Nampanao an\u2019iny nataontsika androany iny i Jehovah, mba handrakofana ny fahotanareo.", "35": "Hijanona fito andro eo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolay fihaonana ianareo, na andro na alina. Ary ataovy izay takin\u2019i Jehovah aminareo mba tsy ho faty ianareo, fa izany no didy nomena ahy.\u201d", "36": "Dia nataon\u2019i Arona sy ny zanany lahy izay rehetra nandidian\u2019i Jehovah tamin\u2019ny alalan\u2019i Mosesy." }, "9": { "1": "Niantso an\u2019i Arona sy ny zanany lahy ary ny anti-panahin\u2019ny Israely i Mosesy, tamin\u2019ny andro fahavalo.", "2": "Hoy izy tamin\u2019i Arona: \u201cMak\u00e0 zanak\u2019omby ho fanatitra noho ny ota, sy ondrilahy ho fanatitra dorana, izay samy tsy misy kilema, ka atolory eo anatrehan\u2019i Jehovah.", "3": "Fa ilazao kosa ny Israelita hoe: \u2018Mak\u00e0 osilahy ho fanatitra noho ny ota, ary zanak\u2019omby sy ondrilahy kely, izay herintaona avy sady tsy misy kilema, ho fanatitra dorana,", "4": "ary omby sy ondrilahy ho sorona iombonana, mba hatao sorona eo anatrehan\u2019i Jehovah. Ary mak\u00e0 koa fanatitra varimbazaha nafangaro menaka. Anio mantsy i Jehovah no hiseho aminareo.\u2019\u201d", "5": "Nentin\u2019izy ireo teo anoloan\u2019ny tranolay fihaonana \u00e0ry ny zavatra nandidian\u2019i Mosesy. Dia nanatona ny vahoaka manontolo, ka nijoro teo anatrehan\u2019i Jehovah.", "6": "Ary hoy i Mosesy: \u201cIzany no nasain\u2019i Jehovah nataonareo, mba hisehoan\u2019ny voninahitr\u2019i Jehovah aminareo.\u201d", "7": "Dia hoy izy tamin\u2019i Arona: \u201cManat\u00f2na eo amin\u2019ny alitara, ary atolory ny fanatitrao, dia ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra dorana, ka manaova fandrakofam-pahotana ho anao sy ho an\u2019ny ankohonanao. Atolory koa ny fanatitry ny vahoaka ka manaova fandrakofam-pahotana ho azy ireo, araka ny didy nomen\u2019i Jehovah.\u201d", "8": "Nanatona teo amin\u2019ny alitara avy hatrany i Arona, ka namono ny zanak\u2019omby atao fanatitra noho ny ota, izay natolotra ho an\u2019ny tenany.", "9": "Natolotr\u2019ireo zanany lahy azy avy\u00a0eo ny ra, dia natsobok\u2019i Arona tao ny rantsantanany iray, ka nahosony teo amin\u2019ireo tandroky ny alitara ny ra. Ary nararany teo am-pototry ny alitara ny ambin\u2019ilay ra.", "10": "Nodorany teo ambony alitara mba hidona-tsetroka ny tavin-kena sy ny voa ary ny jabora teo amin\u2019ny atiny, izay samy avy tamin\u2019ilay fanatitra noho ny ota, araka ny didy nomen\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy.", "11": "Ary nodorany tany ivelan\u2019ny toby ny henany sy ny hodiny.", "12": "Dia novonoin\u2019i Arona ny fanatitra dorana. Ary nomen\u2019ireo zanany lahy azy ny ra, ka nafafiny teo amin\u2019ny lafiny rehetra amin\u2019ny alitara.", "13": "Nomen\u2019izy ireo azy koa ny fanatitra dorana efa voatetitetika sy ny lohany, ka nodorany teo ambony alitara mba hidona-tsetroka.", "14": "Ary nosasany ny tsinain\u2019ilay fanatitra sy ny tongony ka nodorany teo ambonin\u2019ilay fanatitra dorana, mba hidona-tsetroka teo ambony alitara.", "15": "Dia natolony ny fanatitry ny vahoaka. Nalainy ny osy atao fanatitra noho ny ota, izay atolotra ho an\u2019ny vahoaka, dia novonoiny ka nataony fanatitra noho ny ota, hoatran\u2019ilay voalohany.", "16": "Natolony koa ny fanatitra dorana, ka nataony araka ny efa fanao.", "17": "Avy eo, dia natolony ny fanatitra varimbazaha. Nakany eran\u2019ny tanan\u2019ila ilay izy, dia nodorany teo ambony alitara mba hidona-tsetroka, ho fanampin\u2019ilay fanatitra dorana amin\u2019ny maraina.", "18": "Taorian\u2019izay, dia novonoiny ny omby sy ilay ondrilahy atao sorona iombonana, izay atolotra ho an\u2019ny vahoaka. Ary nomen\u2019ireo zanakalahin\u2019i Arona azy ny ra, ka nafafiny teo amin\u2019ny lafiny rehetra amin\u2019ny alitara.", "19": "Fa ny tavin\u2019ilay omby kosa, sy ny rambo matavin\u2019ilay ondrilahy, sy ny taviny manarona ny tsinainy, sy ny voa, ary ny jabora eo amin\u2019ny atiny,", "20": "dia nataon\u2019ireo zanakalahin\u2019i Arona teo ambonin\u2019ny tratran-kena. Dia nodoran\u2019i Arona mba hidona-tsetroka teo ambony alitara ireo taviny rehetra ireo.", "21": "Fa ny tratran-kena sy ny feny ankavanana kosa nahetsiketsiny ho fanatitra ahetsiketsika teo anatrehan\u2019i Jehovah, araka ny didy nomen\u2019i Mosesy.", "22": "Dia nanandratra ny tanany tandrifin\u2019ny vahoaka i Arona ka nitso-drano azy. Dia nidina izy, rehefa avy nanolotra ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra dorana ary ny sorona iombonana.", "23": "Ary niditra tao amin\u2019ny tranolay fihaonana i Mosesy sy Arona. Avy eo dia nivoaka izy roa lahy, ka nitso-drano ny vahoaka. Dia niseho tamin\u2019ny vahoaka manontolo ny voninahitr\u2019i Jehovah.", "24": "Ary nisy afo avy amin\u2019i Jehovah, ka nandoro tanteraka an\u2019ilay fanatitra dorana sy ireo taviny teo ambony alitara. Rehefa nahita an\u2019izany ny vahoaka manontolo, dia nanomboka nihorakoraka ary niankohoka tamin\u2019ny tany." }, "10": { "1": "Taorian\u2019izay, dia samy naka ny fitondrany afo i Nadaba sy Abiho zanakalahin\u2019i Arona, ka nanisy afo tao anatiny sy emboka manitra teo ambonin\u2019ilay afo. Dia nanolotra afo teo anatrehan\u2019i Jehovah izy ireo, nefa afo tsy nahazoana alalana ilay izy sady tsy nasaina nataony.", "2": "Koa nisy afo avy amin\u2019i Jehovah nandoro azy roa lahy, dia maty teo anatrehan\u2019i Jehovah izy ireo.", "3": "Dia hoy i Mosesy tamin\u2019i Arona: \u201cIzao no lazain\u2019i Jehovah: \u2018Hohamasinina aho eo amin\u2019ireo olona akaiky ahy, ary homem-boninahitra eo anatrehan\u2019ny olona rehetra.\u2019\u201d Ary tsy niteny mihitsy i Arona.", "4": "Nantsoin\u2019i Mosesy \u00e0ry i Misaela sy Elizafana, zanak\u2019i Oziela dadafaran\u2019i Arona, dia noteneniny hoe: \u201cAvia, batao hiala eo anoloan\u2019ny toerana masina ny rahalahinareo, ary ento any ivelan\u2019ny toby.\u201d", "5": "Koa nanatona izy ireo ka nibata azy roa lahy nankany ivelan\u2019ny toby, araka izay nolazain\u2019i Mosesy. Mbola teny amin\u2019izy roa lahy ny akanjo lavany.", "6": "Dia hoy i Mosesy tamin\u2019i Arona sy ny zanakalahin\u2019i Arona, izany hoe i Eleazara sy Itamara: \u201cAza avela hisavoritaka ny volonareo ary aza rovitina ny akanjonareo, mba tsy ho faty ianareo, ary mba tsy ho tezitra amin\u2019ny vahoaka manontolo Andriamanitra. Ny rahalahinareo, dia ny taranak\u2019Israely manontolo, no hitomany an\u2019ireo novonoin\u2019i Jehovah tamin\u2019ny afo.", "7": "Aza miala eo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolay fihaonana ianareo sao maty. Efa nasiana menaka masina fanosorana avy amin\u2019i Jehovah mantsy ianareo.\u201d Koa nataon\u2019izy ireo izay nolazain\u2019i Mosesy.", "8": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Arona:", "9": "\u201cAza misotro divay na zava-pisotro hafa misy alkaola ianao sy ny zanakao lahy, rehefa miditra ao amin\u2019ny tranolay fihaonana mba tsy ho faty ianareo. Fitsipika manan-kery foana izany, ka tokony harahinareo sy ny taranakareo.", "10": "Amin\u2019izay dia ho hainareo ny hanavaka ny zavatra masina sy ny tsy masina ary ny maloto sy ny madio,", "11": "ary ho hainareo ny hampianatra an\u2019ireo Israelita ny fitsipika rehetra nolazain\u2019i Jehovah tamin\u2019izy ireo tamin\u2019ny alalan\u2019i Mosesy.\u201d", "12": "Dia hoy i Mosesy tamin\u2019i Arona sy ny zanakalahin\u2019i Arona sisa tavela, izany hoe i Eleazara sy Itamara: \u201cAlaivo ny ambin\u2019ilay fanatitra varimbazaha, avy amin\u2019ny fanatitra natao tao anaty afo ho an\u2019i Jehovah, dia anamboary mofo tsy misy lalivay. Ary hano eo akaikin\u2019ny alitara izany, satria zavatra masina indrindra.", "13": "Hohaninareo ao amin