UNPKG

mg-bibles

Version:

A package for accessing Bible verses in Malagasy (MG), Diem, King James (KJV), and Louis Segond (APEE) versions

111 lines (110 loc) 17.5 kB
{ "1": { "1": "Avy amin\u2019i Paoly, apostolin\u2019i Kristy Jesosy noho ny sitrapon\u2019Andriamanitra, sy Timoty rahalahintsika.", "2": "Ho an\u2019ny olona masina sy ireo rahalahy tsy mivadika any Kolosia, izay tafaray amin\u2019i Kristy: Enga anie ilay Andriamanitra Raintsika mba haneho hatsaram-panahy miavaka aminareo sady hanome fiadanana anareo!", "3": "Misaotra an\u2019ilay Andriamanitra Rain\u2019i Jesosy Kristy Tompontsika foana izahay, rehefa mivavaka ho anareo.", "4": "Henonay mantsy ny finoanareo an\u2019i Kristy Jesosy sy ny fitiavanareo ny olona masina rehetra,", "5": "noho ilay fanantenana notehirizina ho anareo any an-danitra. Efa henonareo ny momba an\u2019io fanantenana io taloha, rehefa notorina taminareo ny fahamarinana, izany hoe ilay vaovao tsara", "6": "tonga tany aminareo. Ary mamoa io vaovao tsara io sady miparitaka eran\u2019izao tontolo izao hoatran\u2019ny at\u1ef3 aminareo koa, nanomboka tamin\u2019ny andro nahenoanareo sy nahafantaranareo tsara an\u2019ilay tena hatsaram-panahy miavaka asehon\u2019Andriamanitra.", "7": "Izany no nianaranareo tamin\u2019i Epafra, mpiara-manompo malalantsika sady tsy mivadika ary mpanompon\u2019i Kristy misolo tena anay.", "8": "Izy koa no nampahafantatra anay hoe ampian\u2019ny fanahy masina haneho fitiavana ianareo.", "9": "Izany koa no nahatonga anay hivavaka sy hangataka ho anareo foana, nanomboka tamin\u2019ny andro nandrenesanay an\u2019izany. Nangataka izahay mba ho fantatrareo tsara ny sitrapony, ka hanana ny fahendrena rehetra ianareo, sady hahazo an\u2019izay tiana holazaina noho ny fanampian\u2019ny fanahy masina.", "10": "Amin\u2019izay dia hanome voninahitra an\u2019i Jehovah ny fitondran-tenanareo, ka hampifaly azy tanteraka ianareo, sady hamokatra voa tsara ka hanao ny tsara foana, ary vao mainka hahalala tsara an\u2019Andriamanitra.", "11": "Enga anie Andriamanitra hampiasa ny heriny be\u00a0voninahitra, ka hanatanjaka anareo sy hanome anareo an\u2019izay hery rehetra ilainareo! Amin\u2019izay ho vitanareo ny hiaritra ny zava-drehetra, sady hanam-paharetana sy ho falifaly.", "12": "Ary isaory ny Ray fa izy no nanampy anareo ho mendrika hahazo amin\u2019ilay lovan\u2019ny olona masina, izay mandeha ao amin\u2019ny mazava.", "13": "Namonjy antsika tamin\u2019ny fahefan\u2019ny haizina izy, dia namindra antsika any amin\u2019ny fanjakan\u2019ilay Zanany malalany.", "14": "Tamin\u2019ny alalan\u2019io Zanaka io no nanafahana sy nanavotana antsika, izany hoe nahazoantsika famelan-keloka.", "15": "Izy no endrik\u2019ilay Andriamanitra tsy hita maso, ary izy no lahimatoa amin\u2019ny zavaboary rehetra.", "16": "Izy mantsy no nampiasain\u2019Andriamanitra rehefa noforonina ny zavatra hafa rehetra any an-danitra sy et\u1ef3 an-tany, izany hoe ny zavatra hita sy ny tsy hita, na fiandrianana izany, na fitondrana, na fanjakana, na fahefana. Izy no nampiasaina mba hamoronana ny zavatra hafa rehetra, ary noforonina mba ho azy izany.", "17": "Nisy talohan\u2019ny zavatra hafa rehetra koa izy, ary izy no nampiasaina mba hampisy ny zavatra rehetra.", "18": "Izy no loha amin\u2019ilay vatana, izany hoe ny fiangonana. Izy no fiandohana sady lahimatoa amin\u2019ny maty. Izy \u00e0ry no voalohany amin\u2019ny zava-drehetra.", "19": "Tian\u2019Andriamanitra hanana ny toetrany rehetra amin\u2019ny fomba feno mantsy i Kristy.", "20": "Tamin\u2019ny alalan\u2019i Kristy koa, izany hoe tamin\u2019ny alalan\u2019ny ra nalatsany teo amin\u2019ny hazo fijaliana, no nampihavanan\u2019Andriamanitra ny zavatra hafa rehetra aminy, na ny zavatra et\u1ef3 an-tany na ny zavatra any an-danitra.", "21": "Lavitra an\u2019Andriamanitra tokoa ianareo taloha sady fahavalony, satria nifantoka tamin\u2019ny fanao ratsy ny sainareo.", "22": "Nampihavanin\u2019Andriamanitra taminy ianareo izao, tamin\u2019ny nahafatesan\u2019ilay nanao sorona ny vatany nofo aman-dra. Dia amin\u2019izay ianareo ho masina sy tsy misy tsiny ary tsy misy hokianina rehefa atolotra eo anatrehany.", "23": "Mila manam-pinoana foana anefa ianareo vao hitranga izany, ary mila miorina tsara eo amin\u2019ilay fototra, ka tsy mihozongozona na hoe lasa tsy manantena intsony an\u2019ilay vaovao tsara efa henonareo sady notorina tamin\u2019ny zavaboary rehetra et\u1ef3 ambanin\u2019ny lanitra. Ary lasa mpanompo mitory an\u2019io vaovao tsara io izaho Paoly.", "24": "Faly aho izao satria mijaly mba hahasoa anareo, ary miaritra ny fijalian\u2019i Kristy aho, dia fijaliana mbola tsy niaretan\u2019ny vatako, mba hahasoa an\u2019ilay vatany, izany hoe ny fiangonana.", "25": "Lasa mpanompon\u2019izany fiangonana izany aho, mifanaraka amin\u2019ilay andraikitra nankinin\u2019Andriamanitra tamiko mba hahasoa anareo, dia ny hamita ny fitoriana ny tenin\u2019Andriamanitra,", "26": "anisan\u2019izany ilay zava-miafina masina nafenina efa hatramin\u2019 ny fotoana nisian\u2019izao tontolo izao sy hatramin\u2019ireo taranaka tany aloha. Efa naharihary tamin\u2019ny olony masina kosa anefa ilay izy izao.", "27": "Ary tian\u2019Andriamanitra hampahafantarina azy ireo ilay zava-miafina masina, izay harena be\u00a0voninahitra, sady tiany hampahafantarina eo amin\u2019ireo firenena koa. Ilay zava-miafina dia hoe tafaray aminareo i Kristy, izany hoe manantena ianareo fa homem-boninahitra miaraka aminy.", "28": "Izy no torinay, ka mananatra ny olona rehetra izahay sady mampianatra ny olona rehetra amim-pahendrena. Amin\u2019izay dia olona matotra sy tafaray amin\u2019i Kristy no hatolotray ho an\u2019Andriamanitra.", "29": "Izany no tena mahatonga ahy hiasa mafy sy hiezaka mafy noho ilay heriny tena miasa be ato anatiko." }, "2": { "1": "Fa tiako ho fantatrareo fa miady mafy aho mba hahasoa anareo, sy mba hahasoa an\u2019izay any Laodikia, ary mba hahasoa an\u2019izay rehetra mbola tsy nahita ahy.", "2": "Amin\u2019izay dia hampiononina ny fon\u2019izy ireo, ary ho tafaray tsara sy hifankatia izy ireo. Dia ho azon\u2019izy ireo koa ny harena rehetra, izany hoe ho takany mazava tsara sy ho azony antoka tanteraka ary ho fantany tsara ilay zava-miafina masin\u2019Andriamanitra, dia i Kristy.", "3": "Tsara afina ao aminy tokoa mantsy ny harena sarobidy rehetra, izany hoe ny fahendrena sy ny fahalalana.", "4": "Milaza an\u2019izany aho mba tsy hisy hamitaka anareo amin\u2019ny hevitra maharesy lahatra.", "5": "Fa na tsy any aminareo aza aho, dia any aminareo kosa ny saiko, ka faly aho mahafantatra hoe milamina tsara ianareo sady matanjaka tsara ny finoanareo an\u2019i Kristy.", "6": "Hoatran\u2019ny efa nanekenareo an\u2019i Kristy Jesosy Tompo \u00e0ry, dia miezaha koa hiara-mandeha aminy foana.", "7": "Araka ny efa nampianarina anareo koa, dia tokony hamaka tsara sy ho mafy orina eo aminy ianareo, sady tsy tokony ho voahozongozona amin\u2019ny finoana, ary ho feno fisaorana an\u2019Andriamanitra.", "8": "Tandremo sao hisy hamandrika anareo amin\u2019ny filozofia sy ny hevitra mamitaka tsy misy fotony. Avy amin\u2019ny fampianarana nifandovan\u2019olombelona sy ny fisainan\u2019izao tontolo izao ireny, fa tsy avy amin\u2019i Kristy.", "9": "Ananan\u2019i Kristy amin\u2019ny fomba feno daholo mantsy ny toetran\u2019Andriamanitra.", "10": "Efa azonareo daholo amin\u2019ny alalany \u00e0ry ny zavatra rehetra. Izy no lohan\u2019ny fanjakana sy ny fahefana rehetra.", "11": "Mifandray amin\u2019i Kristy ianareo ka noforana, nefa tsy noforan\u2019ny tanan\u2019olona, rehefa nialanareo ny zava-dratsy fanaon\u2019ny vatana. Hoatr\u2019izany ny famorana ny mpianatr\u2019i Kristy.", "12": "Niara-nalevina taminy mantsy ianareo tamin\u2019ny batisany, dia niara-natsangana taminy koa, satria mifandray aminy sady mino ny herin\u2019Andriamanitra, izay nanangana azy tamin\u2019ny maty.", "13": "Na dia maty noho ny helokareo koa aza ianareo sady tsy voafora, dia novelomin\u2019Andriamanitra niaraka tamin\u2019i Kristy. Tsara fanahy Andriamanitra ka namela ny heloka rehetra vitantsika.", "14": "Ary nofafany ilay lal\u00e0na nisy didy maro, izay nosoratana hanamelohana antsika. Nofoanany ilay izy rehefa nofantsihany teo amin\u2019ny hazo fijaliana.", "15": "Nataony nitanjaka sy nasehony teny imasom-bahoaka tamin\u2019ny alalan\u2019ny hazo fijaliana ny fanjakana sy ny manam-pahefana. Resiny mantsy izy ireny, dia nentiny ho babo tao amin\u2019ny filaharan\u2019ny mpandresy.", "16": "Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin\u2019izay haninareo sy sotroinareo, na momba ny fankalazana fety na tsinam-bolana, na ny fitandremana sabata.", "17": "Aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tena izy dia i Kristy.", "18": "Aza avela hisy hanakana anareo tsy hahazo an\u2019ilay loka ny olona mody miseho ho manetry tena sy mivavaka amin\u2019ny anjely. \u201cManizingizina\u201d ny zavatra hitany maso izy. Mirehareha tsy amin\u2019antony koa izy satria misaina araka ny nofo,", "19": "ka tsy mitambatra amin\u2019ilay loha. Ilay loha anefa no manome ny zava-drehetra ilain\u2019ny vatana sy mahatonga ny vatana manontolo hikambana tsara noho ny asan\u2019ny tonon-taolana sy hozatra. Ary amin\u2019ny alalan\u2019io loha io Andriamanitra no mampitombo an\u2019ilay vatana manontolo.", "20": "Efa niara-maty tamin\u2019i Kristy ianareo sady efa tsy nanaiky hanaraka ny fisainan\u2019izao tontolo izao intsony. Dia maninona \u00e0ry ianareo no mbola hoatran\u2019ny hoe anisan\u2019izao tontolo izao ihany, ka mbola mankat\u00f2 ny didy hoe:", "21": "\u201cAza mandray, aza manandrana, ary aza mikasika\u201d?", "22": "Ireny didy ireny dia momba ny zavatra rehetra izay ho levona rehefa hanina sy sotroina, sady fampianaran\u2019olombelona fotsiny.", "23": "Hoatran\u2019ny hoe fahendrena ireny didy ireny, kanefa tsy manampy ny olona hiady amin\u2019ny fanirian\u2019ny nofony. Izy ireo ihany mantsy no mifidy an\u2019izay tiany hatao amin\u2019ny resaka fivavahana, ary mody manetry tena izy ireo sady mampijaly tena." }, "3": { "1": "Raha niara-natsangana tamin\u2019i Kristy anefa ianareo, dia katsaho foana ny zavatra any ambony, any amin\u2019izay ipetrahan\u2019i Kristy eo ankavanan\u2019Andriamanitra.", "2": "Afantohy amin\u2019ny zavatra any ambony foana ny sainareo, fa tsy amin\u2019ny zavatra et\u1ef3 an-tany.", "3": "Efa maty mantsy ianareo, ary ny fiainanareo koa efa nankinina tamin\u2019i Kristy, ilay tafaray amin\u2019Andriamanitra.", "4": "Ary rehefa aseho i Kristy, ilay fiainantsika, dia haseho koa ianareo ka hahazo voninahitra miaraka aminy.", "5": "Vonoy \u00e0ry ny fanirian-dratsy ao amin\u2019ny rantsambatanareo, izany hoe ny fijangajangana, fahalotoana, filan\u2019ny nofo tsy voafehy, faniriana hanao ratsy, ary faniriana tsy mety afa-po, izay fanompoan-tsampy.", "6": "Fa ho tezitra amin\u2019ny olona manao an\u2019ireo zavatra ireo Andriamanitra.", "7": "Efa mpanao an\u2019izany koa ianareo taloha, ary efa niaina tao anatin\u2019izany.", "8": "Fa amin\u2019izao anefa, esory hiala aminareo daholo ireto: Fisafoahana, fahatezerana, faharatsiana, fanevatevana, ary izay resaka vetaveta lazain\u2019ny vavanareo.", "9": "Aza mifandainga ianareo. Esory ny toetranareo taloha ary ialao koa izay fanaonareo tamin\u2019izany.", "10": "Tafio kosa ny toetra vaovao, izay havaozina tsikelikely hifanaraka amin\u2019ny toetran\u2019Ilay namorona azy, arakaraka ny ahalalanareo tsara ny fahamarinana.", "11": "Amin\u2019izany dia tsy misy intsony ny hoe Grika na Jiosy, na voafora na tsy voafora, na hafa firenena, na Skytianina, na andevo, na olona afaka. Fa i Kristy no zava-drehetra sady ao amin\u2019ny olona rehetra.", "12": "Nofidin\u2019Andriamanitra ianareo, ary masina sady tena tiana. Mitafia \u00e0ry fitiavana lalina sy fangorahana, hatsaram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, ary faharetana.", "13": "Mahaiza foana mifandefitra sy mifamela heloka tanteraka, na dia misy manana antony itarainana momba ny sasany aza. Namela tanteraka ny helokareo i Jehovah, ka mba manaova hoatr\u2019izany koa ianareo.", "14": "Ambonin\u2019izany rehetra izany, dia mitafia fitiavana, fa toy ny tady tonga lafatra mampifamatotra antsika izy io.", "15": "Avelao hanjaka ao am-ponareo ny fiadanan\u2019i Kristy, satria nantsoin\u2019Andriamanitra ianareo mba hahazo an\u2019izany fiadanana izany ka ho lasa vatana iray. Asehoy koa fa mahay mankasitraka ianareo.", "16": "Enga anie hameno tanteraka ny fonareo ny tenin\u2019i Kristy, ka tena ho hendry ianareo! Miezaha foana hifampianatra sy hifampahery, ka manaova salamo sy fiderana an\u2019Andriamanitra ary hira masina ho fisaorana azy. Dia mihir\u00e0 amin\u2019ny fo ho an\u2019i Jehovah.", "17": "Na inona na inona teneninareo na ataonareo, dia ataovy amin\u2019ny anaran\u2019i Jesosy Tompo daholo izany, ka misaora an\u2019Andriamanitra Ray amin\u2019ny alalany.", "18": "Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo fa izany no mety eo imason\u2019ny Tompo.", "19": "Ianareo lehilahy, tiavo foana ny vadinareo ary aza tezitra be aminy.", "20": "Ianareo zanaka, ankatoavy amin\u2019ny zava-drehetra ny ray aman-dreninareo, fa izany no mampifaly ny Tompo.", "21": "Ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, mba tsy ho kivy izy.", "22": "Ianareo mpanompo, ankatoavy amin\u2019ny zava-drehetra ny tomponareo. Tsy hoe rehefa manara-maso anareo ihany izy ireo vao mankat\u00f2 ianareo, hoatran\u2019ny hoe te hampifaly olona fotsiny, fa mankatoava kosa amin\u2019ny fo satria matahotra an\u2019i Jehovah ianareo.", "23": "Izay rehetra ataonareo dia ataovy amin\u2019ny fo manontolo toy ny hoe ho an\u2019i Jehovah, fa tsy ho an\u2019olona.", "24": "Fantatrareo mantsy fa avy amin\u2019i Jehovah no hahazoanareo an\u2019ilay lova mba ho valisoanareo. Ary manompoa an\u2019ilay Tomponareo, dia i Kristy.", "25": "Izay manao ratsy dia azo antoka hoe hahazo ny valin\u2019ny ratsy nataony, satria tsy mijery tavan\u2019olona Andriamanitra." }, "4": { "1": "Ianareo tompo, manaova ny rariny sy ny hitsiny amin\u2019ny mpanomponareo, satria fantatrareo fa ianareo koa mba manana Tompo any an-danitra.", "2": "Mahareta amin\u2019ny vavaka. Aza hadinoina mihitsy ny mivavaka sy ny misaotra.", "3": "Mivavaha koa ho anay. Amin\u2019izay dia hanokatra varavarana ho anay Andriamanitra, mba hahafahanay hitory ny teny sy hilaza ny zava-miafina masina momba an\u2019i Kristy. Izany mantsy no mahatonga ahy ho voafatotra rojo\u00a0vy.", "4": "Amin\u2019izay koa aho ho afaka hanazava tsara an\u2019izany zava-miafina izany, araka izay tokony hataoko.", "5": "Manehoa fahendrena foana rehefa mifandray amin\u2019ny olona eny ivelany. Dia ampiasao tsara ny fotoananareo.", "6": "Ataovy mahafinaritra sady mamy sira foana ny teny lazainareo, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona tsirairay.", "7": "Holazain\u2019i Tykiko, rahalahy malalako, aminareo daholo ny vaovao momba ahy. Mpanompo mendri-pitokisana sady mpiara-manompo amiko ao amin\u2019ny Tompo izy.", "8": "Irahiko ho any aminareo izy, dia amin\u2019izay fantatrareo hoe manao ahoana izahay, dia izy koa ho afaka hampionona ny fonareo.", "9": "Miaraka aminy koa i Onesimosy, rahalahy mendri-pitokisana sy malalako, izay avy any aminareo. Holazain\u2019izy roa lahy aminareo daholo izay mitranga at\u1ef3.", "10": "Mampamangy, hono, ianareo, hoy i Aristarko, mpiara-migadra amiko, sy Marka, zanak\u2019olo-mpiray tam-po amin\u2019i Barnabasy.\u2014I Marka ilay nasaina noraisinareo tsara raha tonga any aminareo.\u2014", "11": "Mampamangy koa, hono, ianareo, hoy i Jesosy, ilay atao hoe Josto. Voafora koa izy rehetra ireo, ary izy ireo ihany no mpiara-miasa amiko hampandroso ny Fanjakan\u2019Andriamanitra. Izy ireo koa no tena nanampy sy nankahery ahy.", "12": "Mampamangy, hono, ianareo, hoy i Epafra, ilay avy any aminareo, sady mpanompon\u2019i Kristy Jesosy. Miezaka be foana izy mivavaka ho anareo, amin\u2019izay ianareo ho matotra foana sady hatoky tanteraka ny sitrapon\u2019Andriamanitra rehetra.", "13": "Izaho no vavolombelona manamarina fa miezaka be mihitsy izy mba hahasoa anareo, sy mba hahasoa an\u2019izay any Laodikia sy Hierapolia.", "14": "Mampamangy, hono, ianareo, hoy i Lioka dokotera malala sy Demasy.", "15": "Mampamangy any amin\u2019ireo rahalahy any Laodikia, dia mampamangy koa any amin\u2019i Nymfa sy ny fiangonana mivory ao an-tranony.", "16": "Ary rehefa voavaky eo aminareo ity taratasy ity, dia alefaso any amin\u2019ny fiangonana any Laodikia mba hovakina any koa. Dia mba vakio koa ilay avy any Laodikia.", "17": "Mba ilazao koa i Arkipo hoe: \u201cAtaovy tsara foana, hono, hoe ilay fanompoana nekenao noho ianao mpanara-dia ny Tompo, dia amin\u2019izay ho vitanao tsara ilay izy.\u201d", "18": "Ity no veloma nosoratan\u2019ny tanako, izaho Paoly. Tadidio foana fa mifatotra rojo\u00a0vy aho. Enga anie ianareo hanehoana an\u2019ilay hatsaram-panahy miavaka!" }, "meta": { "name": "Kolosianina", "order": 50, "chapter_number": 4 } }