UNPKG

mg-bibles

Version:

A package for accessing Bible verses in Malagasy (MG), Diem, King James (KJV), and Louis Segond (APEE) versions

64 lines (63 loc) 9.16 kB
{ "1": { "1": "Izao no tenin\u2019i Jehovah tamin\u2019i Jona zanak\u2019i Amitahy:", "2": "\u201cMandehana any Ninive, ilay tan\u00e0na lehibe, dia lazao aminy ny fanamelohana azy, fa hitako ny ratsy ataony.\u201d", "3": "Niainga ho any Tarsisy anefa i Jona, satria te handositra an\u2019i Jehovah. Nidina tany Jopa izy, ary nahita sambo ho any Tarsisy. Naloany \u00e0ry ny saran-dalana dia niakatra tao amin\u2019ilay sambo izy, mba ho any Tarsisy ka handositra an\u2019i Jehovah.", "4": "Dia nataon\u2019i Jehovah nifofofofo be ny rivotra teny amin\u2019ny ranomasina. Lasa nisy tafio-drivotra be narahin\u2019oram-baratra teny, ka saika vaky mihitsy ilay sambo.", "5": "Dia natahotra\u00a0be ireo tantsambo ka samy niantso vonjy tamin\u2019ny andriamaniny avy. Ary natsipiny tany an-dranomasina ny entana tao anaty sambo, mba ho maivamaivana ilay sambo. I Jona anefa efa nidina tany anatin\u2019ilay sambo, dia natory ary renoka be.", "6": "Ary nankao aminy ny kapitenin-tsambo ka niteny hoe: \u201cFa maninona ianao no mbola matory ihany\u00a0e? Mifohaza! Antsoy ny andriamanitrao! Angamba hanampy antsika ilay tena Andriamanitra, ka tsy ho faty isika.\u201d", "7": "Dia nifampiresaka ireo tantsambo hoe: \u201cAndao hanao antsapaka, amin\u2019izay fantatsika hoe iza no mahatonga an\u2019izao loza izao.\u201d Nanao antsapaka \u00e0ry izy ireo, ka i Jona no tratra.", "8": "Dia hoy izy ireo: \u201cTeneno anay, azafady, hoe iza no mahatonga an\u2019izao loza manjo antsika izao. Inona no asanao, ary avy aiza ianao? Aiza ny tany niavianao, ary avy amin\u2019ny foko inona ianao?\u201d", "9": "Dia hoy izy: \u201cHebreo aho, ary manompo an\u2019i Jehovah Andriamanitry ny lanitra, Ilay nanao ny ranomasina sy ny tany maina.\u201d", "10": "Dia vao mainka natahotra ireo tantsambo, ka hoy ireo taminy: \u201cFa inona ity nataonao?\u201d Lasa fantatr\u2019izy ireo mantsy hoe nandositra an\u2019i Jehovah izy satria efa nolazainy tamin\u2019izy ireo izany.", "11": "Vao mainka nisamboaravoara ny ranomasina tamin\u2019izay ka hoy ireo taminy: \u201cHataonay ahoana \u00e0ry ianao mba ho tony ny ranomasina?\u201d", "12": "Dia hoy izy: \u201cBatao aho ka atsipazo any anaty ranomasina, dia ho tony ny rano. Fantatro mantsy fa noho ny amiko no mahatonga an\u2019izao tafio-drivotra be sy oram-baratra izao.\u201d", "13": "Mbola niezaka nivoy an\u2019ilay sambo ihany anefa ireo tantsambo mba hamerina an\u2019ilay izy teny an-tanety, saingy tsy nahavita. Vao mainka nisamboaravoara be mantsy ny ranomasina.", "14": "Dia niantso vonjy tamin\u2019i Jehovah izy ireo ka niteny hoe: \u201cJehovah\u00a0\u00f4! Mba aza avela ho faty noho ny amin\u2019ity lehilahy ity re izahay\u00a0e! Ary aza melohina ho nandatsaka ran\u2019olona tsy manan-tsiny izahay, satria efa izao no sitraponao, Jehovah\u00a0\u00f4!\u201d", "15": "Nobatain\u2019izy ireo \u00e0ry i Jona dia natsipiny tany anaty ranomasina, ka tsy nisamboaravoara intsony ny ranomasina.", "16": "Dia lasa natahotra be an\u2019i Jehovah izy ireo, ka nanao sorona ho an\u2019i Jehovah sady nivoady hoe hanompo azy.", "17": "Ary nandefa trondro ngezabe i Jehovah mba hitelina an\u2019i Jona, ka lasa tao anaty kibon\u2019ilay trondro i Jona, nandritra ny telo andro sy telo alina." }, "2": { "1": "Dia nivavaka tamin\u2019i Jehovah Andriamaniny i Jona, tao an-kibon\u2019ilay trondro,", "2": "ka hoy izy: \u201cTamin\u2019izaho nijaly be no niantso an\u2019i Jehovah, dia namaly ahy izy. Tao amin\u2019ny Fasana aho no niantso vonjy, Dia nandre ny feoko ianao.", "3": "Rehefa natsipinao tany amin\u2019ny lalina be aho, tany anatin\u2019ny ranomasimbe, Dia nalentiky ny rano mahery, Ary navadibadiky ny onjanao mahery.", "4": "Hoy aho: \u2018Efa noroahina aho mba tsy ho hitanao. Dia tsy hahita ny tempolinao masina intsony ve aho?\u2019", "5": "Nalentiky ny rano aho ka efa saika maty, Ary difotry ny rano lalina\u00a0be. Nifamatopatotra teo amin\u2019ny lohako ny ahidrano.", "6": "Nilentika aho ka tonga hatrany amin\u2019ny fototry ny tendrombohitra. Nihidy mandrakizay teo alohako ny vavahadin\u2019ny tany. Nampiakarinao avy tao anaty lavaka anefa ny aiko, ry\u00a0Jehovah Andriamanitro\u00a0\u00f4!", "7": "Rehefa nihareraka be ny aiko, dia i Jehovah no tsaroako. Ary tonga tany aminao, tao amin\u2019ny tempolinao masina, ny vavaka nataoko.", "8": "Izay mivavaka amin\u2019ny sampy tsy misy dikany, dia mahafoy an\u2019ilay tena tia azy ireo sady tsy mivadika aminy.", "9": "Fa izaho kosa hisaotra anao sady hanao sorona ho anao, Ary izay voady nataoko dia hefaiko. Avy amin\u2019i Jehovah ny famonjena.\u201d", "10": "Farany, dia nobaikoin\u2019i Jehovah ilay trondro ka naloany teny amin\u2019ny tany maina i Jona." }, "3": { "1": "Ary niteny fanindroany tamin\u2019i Jona i Jehovah hoe:", "2": "\u201cMandehana any Ninive, ilay tan\u00e0na lehibe, ary ampitao aminy ny hafatra lazaiko aminao.\u201d", "3": "Dia nankat\u00f2 ny tenin\u2019i Jehovah i Jona ka nankany Ninive. Tan\u00e0na lehibe izy io, ka tsy vita ny nitety azy raha tsy dia an-tongotra telo andro.", "4": "Dia tonga tao amin\u2019ilay tan\u00e0na i Jona. Rehefa avy nandeha an-tongotra iray andro izy, dia nitory hoe: \u201cEfapolo andro sisa dia horavana i Ninive.\u201d", "5": "Dia nino an\u2019Andriamanitra ny olona tao Ninive, ka nanao antso avo hoe tokony hifady hanina daholo. Nitafy lamba gony koa izy ireo, hatramin\u2019ny lehibe indrindra ka hatramin\u2019ny kely indrindra.", "6": "Rehefa henon\u2019ny mpanjakan\u2019i Ninive ilay hafatra, dia nitsangana niala teo amin\u2019ny seza fiandrianany izy ka nesoriny ny akanjom-boninahiny. Ary nitafy lamba gony izy, sady nipetraka teo amin\u2019ny lavenona.", "7": "Nasainy nambara eran\u2019i Ninive koa hoe: \u201cAraka ny didin\u2019ny mpanjaka sy ny olona ambony, dia tsy misy mahazo mihinana na inona na inona mihitsy ny olona sy ny biby, na ny omby na ny ondry aman\u2019osy. Tsy misy mahazo misakafo, na misotro rano.", "8": "Asaivo mitafy lamba gony na ny olona na ny biby. Asaivo miantso an\u2019Andriamanitra amin\u2019ny fony koa izy ireo, ka samy hiala amin\u2019ny ratsy fanaony sady tsy hahery setra intsony.", "9": "Iza moa no mahalala sao mba hiova hevitra ihany ilay tena Andriamanitra ka tsy ho tezitra be intsony, dia tsy ho faty isika?\u201d", "10": "Hitan\u2019ilay tena Andriamanitra ny nataon\u2019izy ireo, izany hoe ny nialan\u2019izy ireo tamin\u2019ny ratsy fanaony. Dia niova hevitra izy, ka tsy nalefany indray ilay loza nolazainy hoe hamelezana azy ireo." }, "4": { "1": "Tena tsy nahafaly an\u2019i Jona anefa izany, ka tezitra be izy.", "2": "Dia nivavaka tamin\u2019i Jehovah izy hoe: \u201cJehovah\u00a0\u00f4! Tsy efa izao ve ilay nahiko tamin\u2019izaho mbola tany amin\u2019ny taniko? Dia izany ange ilay nahatonga ahy handositra tany Tarsisy\u00a0e! Fantatro mantsy fa Andriamanitra mangoraka sy mamindra fo ianao, tsy mora tezitra, tena be\u00a0fitiavana sy tsy mivadika, ary tsy mba mahafinaritra anao ny manasazy.", "3": "Jehovah\u00a0\u00f4! Esory re ny aiko\u00a0e, fa aleoko maty toy izay velona.\u201d", "4": "Dia hoy i Jehovah: \u201cRariny ve raha tezitra be hoatr\u2019izao ianao?\u201d", "5": "Ary nivoaka an\u2019i Ninive i Jona ka nipetraka teo atsinanan\u2019ilay tan\u00e0na. Nanamboatra fialokalofana izy, dia nipetraka teo mba hijery izay hanjo an\u2019ilay tan\u00e0na.", "6": "Nampaniry voatavomonta i Jehovah Andriamanitra avy eo, mba hanalokaloka ny lohan\u2019i Jona sy hanamaivamaivana ny fahoriany. Dia faly be i Jona tamin\u2019ilay voatavomonta.", "7": "Ny ampitson\u2019iny anefa, rehefa nazava ratsy ny andro, dia nasian\u2019Andriamanitra kankana nihinana an\u2019ilay voatavomonta ka nalazo ilay izy.", "8": "Nampisy rivotra mahamay avy any atsinanana koa Andriamanitra, rehefa niposaka ny masoandro. Dia nodanihin\u2019ny hainandro ny lohan\u2019i Jona, ka saika safotra mihitsy izy. Ary nangataka ny ho faty foana izy, sady namerimberina hoe: \u201cAleoko maty toy izay velona.\u201d", "9": "Ary hoy Andriamanitra tamin\u2019i Jona: \u201cRariny ve raha tezitra be hoatr\u2019izao ianao fa nalazo ilay voatavomonta?\u201d Dia hoy izy: \u201cRariny mihitsy raha tezitra aho! Tena tezitra be mihitsy aho dia aleoko maty.\u201d", "10": "Ary hoy i Jehovah: \u201cIanao malahelo an\u2019ilay voatavomonta, nefa tsy nisasatra tamin\u2019ilay izy akory na nikarakara an\u2019ilay izy mba hampaniry azy. Zavatra naniry indray alina fotsiny iny, dia maty indray alina koa.", "11": "Dia izaho ve tsy mba halahelo an\u2019i Ninive, ilay tan\u00e0na lehibe, sy ny biby rehetra ao? Ao amin\u2019io tan\u00e0na io anefa misy olona 120\u00a0000 mahery, izay tsy mahalala akory ny mety sy ny tsy mety.\u201d" }, "meta": { "name": "Jona", "order": 31, "chapter_number": 4 } }