UNPKG

mg-bibles

Version:

A package for accessing Bible verses in Malagasy (MG), Diem, King James (KJV), and Louis Segond (APEE) versions

87 lines (86 loc) 14.5 kB
{ "1": { "1": "Izao no tenin\u2019i Jehovah tamin\u2019i Joela zanak\u2019i Petoela:", "2": "\u201cHenoy ny teniko, ry\u00a0anti-panahy, Ary mihainoa ahy ianareo mponina rehetra eto amin\u2019ity tany ity. Mba efa nisy hoatr\u2019izao ve tamin\u2019ny andronareo, Na tamin\u2019ny andron\u2019ny razambenareo?", "3": "Tantarao amin\u2019ny zanakareo izao, Dia ny zanakareo indray asaivo mitantara amin\u2019ny zanany, Ary ny zanany kosa hitantara amin\u2019ny taranaka any aoriana.", "4": "Izay sisa tsy lanin\u2019ny valala mpandravarava dia nohanin\u2019ny andiam-balala mifanaretsaka, Ary izay tsy lanin\u2019ilay andiam-balala mifanaretsaka, dia nohanin\u2019ny zana-balala mbola tsy ary\u00a0elatra, Ary izay tsy lanin\u2019ny zana-balala kosa naripaky ny valala mirangorango.", "5": "Mifohaza ianareo mamo lava, dia mitomania! Ary midradradradr\u00e0 daholo ianareo mpisotro divay, Satria tsy hisy divay mamy ho anareo intsony.", "6": "Fa misy firenena miakatra hamely ny taniko, firenena mahery sy be\u00a0mponina. Hoatran\u2019ny nifin\u2019ny liona ny nifiny, ary hoatran\u2019ny valanoranon\u2019ny liona ny valanoranony.", "7": "Nopotipotehiny ny voaloboko, ary ny fototry ny aviaviko sisa no navelany. Nendahany tanteraka ny hoditr\u2019ireo, ary nariany avy\u00a0eo, Ary navelany ho fotsy hatramin\u2019ny rantsany.", "8": "Midradradradr\u00e0 hoatran\u2019ny virjiny mitafy lamba gony Noho izy malahelo an\u2019ilay lehilahy saika hanambady azy.", "9": "Fa tsy misy mitondra fanatitra varimbazaha sy fanatitra zava-pisotro intsony ao an-tranon\u2019i Jehovah, Ka malahelo be ny mpisorona mpanompon\u2019i Jehovah.", "10": "Potika tanteraka ny vokatra eny an-tsaha, ary misaona ny tany, Fa tsy misy varimbazaha intsony, sady ritra ny divay vaovao, ary lany ny menaka.", "11": "Kivy ny mpamboly, ary midradradradra ny mpikarakara tanimboaloboka, Satria tsy misy ny varimbazaha sy ny vary orza, Fa simba ny vokatra eny an-tsaha.", "12": "Maina ny voaloboka, Ary malazo ny aviavy. Maina daholo koa ny hazo eny an-tsaha, Dia ny ampongabendanitra sy ny palmie ary ny paoma. Tsy falifaly intsony ny olona fa lasa menatra.", "13": "Mitafia lamba gony ary ataovy hita hoe misaona ianareo, ry\u00a0mpisorona. Midradradradr\u00e0 ianareo manompo eo anoloan\u2019ny alitara. Midira ka manaova akanjo gony mandritra ny alina, ry\u00a0mpanompon\u2019ny Andriamanitro. Fa tsy misy mitondra fanatitra varimbazaha sy fanatitra zava-pisotro intsony ao an-tranon\u2019ny Andriamanitrareo.", "14": "Asaivo mifady hanina ny olona, dia lazao hoe hisy fivoriambe makotrokotroka. Vorio ao an-tranon\u2019i Jehovah Andriamanitrareo ny anti-panahy sy ny mponina rehetra eto amin\u2019ity tany ity, Ary miantsoa vonjy amin\u2019i Jehovah.", "15": "Loza fa ho avy ilay andro! Fa efa akaiky ny andron\u2019i Jehovah, Ary ho avy hoatran\u2019ny fandringanan\u2019ilay Mahery Indrindra izany!", "16": "Tsy efa tapitra tsy misy intsony ve ny sakafo, Ary tsy misy olona mifalifaly intsony ao an-tranon\u2019ilay Andriamanitsika?", "17": "Simba eo ambany lapelina ny aviavy maina. Tsy misy na inona na inona ny trano fitehirizam-bokatra, Ary noravana ny sompitra satria simba ny varimbazaha.", "18": "Na ny biby fiompy aza mitaraindraina! Mirenireny tsy mahita haleha intsony ny andian\u2019omby, satria tsy mahita ahi-maitso, Ary mijaly koa ny andian\u2019ondry.", "19": "Ianao no hantsoiko, Jehovah\u00a0\u00f4! Fa kilan\u2019ny afo ny ahitra eny an-kijana, Ary main\u2019ny lelafo ny hazo rehetra any an-tsaha.", "20": "Na ny bibidia koa aza manantena hoe hanampy azy ianao, Satria ritra ny rano mandeha, Ary kilan\u2019ny afo ny ahitra eny an-kijana.\u201d" }, "2": { "1": "\u201cTsofy ao Ziona ny anjombona, Ary manaova hiakan\u2019ady eo amin\u2019ny tendrombohitro masina. Aoka hangovitra ny mponina rehetra eto amin\u2019ity tany ity, Fa ho avy ny andron\u2019i Jehovah sady efa akaiky!", "2": "Andro faran\u2019izay maizina izany, Andro mandrahona sy maizim-pito, Ary toy ny hazavana vao mangiran-dratsy mandrakotra tendrombohitra. Misy firenena mahery sady be\u00a0mponina, Ary mbola tsy nisy firenena hoatr\u2019azy hatramin\u2019izay, Sady tsy hisy intsony any aoriana, Hatrany amin\u2019ny taranaka fara aman-dimby.", "3": "Afo mandevona no eo alohany, Ary lelafo mandoro kosa no ao aorianany. Hoatran\u2019ny zaridainan\u2019i Edena ny tany eo alohany, Fa tany efitra kosa no ao aorianany, Ka tsy misy afaka mandositra azy.", "4": "Hoatran\u2019ny soavaly no fahitana azy ireo, Ary mihazakazaka toy ny soavaly fitondra miady izy ireo.", "5": "Mitsambikimbikina eny an-tampon-tendrombohitra izy ireo, hoatran\u2019ny kalesy mirodorodo, Sady hoatran\u2019ny lelafo mirefodrefotra mandevona vodivary, Ary toy ny firenena mahery efa milahatra hiady.", "6": "Hitebiteby ireo firenena satria matahotra azy, Ka ho boramena be ny tarehin\u2019izy ireny.", "7": "Manafika toy ny lehilahy mpiady izy ireo, Ary mianika manda hoatran\u2019ny miaramila. Samy mandroso izy, Ka tsy misy mivilivily miala amin\u2019ny lalany.", "8": "Tsy mifanosika izy ireo, Fa samy mandeha mandroso foana. Raha misy aza voatifitry ny zana-tsip\u00ecka ka mianjera, Dia tsy miala an-daharana ny hafa.", "9": "Mirohotra haingana mankao an-tan\u00e0na izy ireo, ary mihazakazaka eny ambony manda. Mianika trano izy, ary miditra eo am-baravarankely hoatran\u2019ny mpangalatra.", "10": "Rehefa manatona izy ireo, dia mihovotrovotra ny tany ary mihozongozona ny lanitra. Lasa maizina ny masoandro sy ny volana, Ary tsy mamirapiratra intsony ny kintana.", "11": "Hiantsoantso mafy eo alohan\u2019ny tafiny i Jehovah, satria be dia be ny miaramilany. Manatanteraka ny teniny mantsy Andriamanitra, ary mahery izy. Fa lehibe ny andron\u2019i Jehovah sady tena mampahatahotra, Ka iza no mahatanty an\u2019izany?\u201d", "12": "\u201cMbola tsy tara anefa izao fa miverena amiko amin\u2019ny fonareo manontolo\u201d, hoy i\u00a0Jehovah, \u201cKa mifadia hanina sy mitomania mafy ary miantsoantsoa.", "13": "Ary ny fonareo rovitina, fa tsy ny akanjonareo, Dia miverena amin\u2019i Jehovah Andriamanitrareo. Fa mangoraka sy mamindra\u00a0fo izy, tsy mora tezitra, ary tena be\u00a0fitiavana sy tsy mivadika. Hiova hevitra izy ka tsy handefa loza indray.", "14": "Iza moa no mahalala raha mba tsy ho tezitra intsony izy fa hiova hevitra tokoa, Dia hitahy anareo? Dia amin\u2019izay ianareo ho afaka hanolotra fanatitra varimbazaha sy fanatitra zava-pisotro ho an\u2019i Jehovah Andriamanitrareo.", "15": "Tsofy ao Ziona ny anjombona! Asaivo mifady hanina ny olona, dia lazao hoe hisy fivoriambe makotrokotroka.", "16": "Vorio ny vahoaka ary hamasino ny fiangonana. Vorio ny lehilahy be\u00a0taona sy ny ankizy ary ny zaza minono. Asaivo mivoaka avy ao amin\u2019ny efitranony ny mpampaka-bady, ary avy ao amin\u2019ny efitranony koa ilay ampakarina.", "17": "Aoka hitomany eo anelanelan\u2019ny tilikambo fidirana sy ny alitara Ny mpisorona mpanompon\u2019i Jehovah, ka hilaza hoe: \u2018Iantrao ny vahoakanao, Jehovah\u00a0\u00f4, Ary aza avela hesoesoin\u2019ny olona ny lovanao Ka hanjakan\u2019ny firenen-kafa. Nahoana ny firenena no hilaza hoe: \u201cAiza izay mba Andriamanitr\u2019ireo?\u201d\u2019", "18": "Dia hiaro mafy ny taniny i Jehovah, Ary hangoraka ny vahoakany izy.", "19": "Dia hiteny amin\u2019ny vahoakany i Jehovah hoe: \u2018Homeko varimbazaha sy divay vaovao ary menaka ianareo, Ka ho voky be. Ary tsy havelako hisy hanala baraka anareo intsony any amin\u2019ireo firenena.", "20": "Halefako lavitra be anareo ilay avy any avaratra, Ka haparitako any amin\u2019ny faritra maina sy ngazana tsy misy mponina. Dia horoahiko ho any amin\u2019ny ranomasina atsinanana ny loha\u00a0laharany, Ary ho any amin\u2019ny ranomasina andrefana ny vodilaharany. Ho maimbo ny fatiny, Ka hidofaka foana ny fofony. Fa hanao zavatra miavaka Andriamanitra.\u2019", "21": "Aza matahotra, ry\u00a0tany, Ary mifalia sy miravoravoa, fa hanao zavatra miavaka i Jehovah.", "22": "Aza matahotra, ry\u00a0bibidia, Fa ho lasa maitso indray ny ahitra eny an-kijana, Ary hisy voany ny hazo. Hamokatra be koa ny aviavy sy ny voaloboka.", "23": "Mifalia sy miravoravoa noho izay hataon\u2019i Jehovah Andriamanitrareo ho anareo, ry\u00a0zanak\u2019i Ziona, Fa hanome anareo oram-pararano ampy tsara izy, Ary handatsaka oram-be aminareo, Dia oram-pararano sy oran-dohataona, hoatran\u2019ny taloha.", "24": "Ho feno varimbazaha ny famoloana, Ary hihoatra an\u2019ireo fanantazana azy ny ranom-boaloboka sy ny menaka.", "25": "Honerako izay nafoinareo nandritra ny taona maro, Dia ny vokatra naripaky ny andiam-balala mifanaretsaka sy ny zana-balala mbola tsy ary\u00a0elatra sy ny valala mirangorango ary ny valala mpandravarava, Izany hoe ilay tafiko lehibe nalefako hamely anareo.", "26": "Ary hihinana ianareo ka ho voky, Dia hidera ny anaran\u2019i Jehovah Andriamanitrareo, Izay nanao fahagagana be dia be ho anareo. Ary tsy hatao afa-baraka intsony ny vahoakako.", "27": "Dia ho fantatrareo fa eo amin\u2019ny Israely aho, Ary izaho no Jehovah Andriamanitrareo, fa tsy misy ankoatra ahy. Tsy hatao afa-baraka intsony ny vahoakako.", "28": "Aorian\u2019izany, dia handatsahako ny fanahiko ny karazan\u2019olona rehetra, Ka ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy haminany, Ny lehilahy zokiolona eo aminareo hanonofy, Ary ny tovolahy eo aminareo hahita fahitana.", "29": "Ary na ny mpanompolahiko sy ny mpanompovaviko\u00a0aza Dia handatsahako ny fanahiko, amin\u2019izany andro izany.", "30": "Ary hanao fahagagana eny amin\u2019ny lanitra sy eny ambonin\u2019ny tany aho, Dia ra sy afo ary setroka miakatra.", "31": "Ho maizina ny masoandro ary ho mena toy ny ra ny volana, Alohan\u2019ny hahatongavan\u2019ny andron\u2019i Jehovah, dia ilay andro lehibe sady mampahatahotra.", "32": "Ary izay rehetra miantso ny anaran\u2019i Jehovah no hovonjena. Fa araka ny efa nolazain\u2019i Jehovah, dia eo amin\u2019ny Tendrombohitra Ziona sy ao Jerosalema no hisy an\u2019ireo afa-mandositra, Izany hoe ireo tafavoaka velona, izay antsoin\u2019i Jehovah.\u201d" }, "3": { "1": "\u201cFa amin\u2019izany andro sy fotoana izany, Rehefa ampodiko izay babo amin\u2019ny mponin\u2019i Joda sy Jerosalema,", "2": "Dia hangoniko koa ny firenena rehetra, Ka hampidiniko ho eo amin\u2019ny Lohasahan\u2019i Josafata. Eo no hitsarako azy ireo, Noho izay nataony tamin\u2019ny Israely vahoakako sy lovako. Naparitany tany amin\u2019ireo firenena mantsy izy ireo, Ary nifampizarany koa ny taniko.", "3": "Nataony antsapaka ny vahoakako. Ny zazalahy namidiny mba hanakaramany mpivaro-tena, Ary ny zazavavy namidiny mba hahazoana divay hosotroina.", "4": "Dia sahinareo ve ny manao an\u2019izany amiko, Ry Tyro sy Sidona, sy ry faritr\u2019i Filistia rehetra? Te hamaly faty ahy angaha ianareo? Raha mamaly faty ahy ianareo, Dia havaliko aminareo faran\u2019izay haingana ny ataonareo.", "5": "Nalainareo mantsy ny volafotsiko sy ny volamenako, Ary nentinareo tao amin\u2019ny tempolinareo ny harenako sarobidy indrindra.", "6": "Namidinareo tamin\u2019ny Grika ny mponin\u2019i Joda sy Jerosalema, Amin\u2019izay izy ireo ho lasa lavitra ny tanindrazany.", "7": "Dia hampirisihiko hiala any amin\u2019ny toerana nivarotana azy izy ireo, Ary izay nataonareo ihany no havaliko aminareo.", "8": "Hamidiko amin\u2019ny mponin\u2019i Joda ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy, Ka hamidiny amin\u2019ireo lehilahy any Sheba, any amin\u2019ny firenena lavitra\u00a0be. Fa izaho Jehovah no efa niteny.", "9": "Lazao any amin\u2019ireo firenena izao: \u2018Miom\u00e0na hiady! Entano ny lehilahy matanjaka! Asaivo manatona daholo ny miaramila, dia asaivo mandroso!", "10": "Tefeo ho sabatra ny angadinombinareo, ary tefeo ho lefona ny antsy fandrantsananareo voaloboka. Aoka ny reraka hiteny hoe: \u201cMatanjaka aho.\u201d", "11": "Tongava hifanampy, ry\u00a0firenena rehetra manodidina, ka mivoria.\u2019\u201d Jehovah\u00a0\u00f4, ampidino ho eny amin\u2019izany toerana izany ny miaramilanao mahery!", "12": "\u201cEntano hankeny amin\u2019ny Lohasahan\u2019i Josafata ireo firenena, Fa eo aho no hipetraka hitsara ny firenena rehetra manodidina.", "13": "Arosoy ny antsy fijinjana, fa masaka ny vokatra. Mid\u00ecna dia hitsakitsaho ny voaloboka, fa feno\u00a0be ny lavaka fanitsakitsahana azy. Efa mihoatra ny fanantazana azy ny ranom-boaloboka, satria vao mainka manao ratsy ireo firenena.", "14": "Vahoaka be, vahoaka\u00a0be no eo amin\u2019ny lohasahan\u2019ny didim-pitsarana, Fa ho avy tsy ho ela eo amin\u2019ny lohasahan\u2019ny didim-pitsarana ny andron\u2019i Jehovah.", "15": "Ho lasa maizina ny masoandro sy ny volana, Ary tsy hamirapiratra intsony ny kintana.", "16": "Hierona hoatran\u2019ny liona avy ao Ziona i Jehovah, Ary hiantsoantso avy ao Jerosalema izy. Hihozongozona ny lanitra sy ny tany, Nefa ho fialofan\u2019ny vahoakany i Jehovah, Sady ho fiarovana mafy ho\u00a0an\u2019ny vahoakan\u2019Israely.", "17": "Dia ho fantatrareo fa izaho no Jehovah Andriamanitrareo izay mipetraka ao Ziona, tendrombohitro masina. Ho lasa toerana masina i Jerosalema, Ka tsy hisy vahiny handalo ao intsony.", "18": "Amin\u2019izany andro izany, dia hisy divay mamy hitete eny an-tendrombohitra, Hisy ronono hikoriana eny amin\u2019ny havoana, Ary hisy rano hikoriana eny amin\u2019ny renirano rehetra any Joda. Hisy loharano hikoriana avy ao an-tranon\u2019i Jehovah, Ka hanondraka ny Lohasahan\u2019ny Hazo Akasia.", "19": "Fa i Ejipta kosa tsy hisy mponina intsony, Ary i Edoma ho lasa tany karakaina. Nahery setra tamin\u2019ny mponin\u2019i Joda mantsy izy ireo, Sady nandatsaka ran\u2019olona tsy manan-tsiny tany Joda.", "20": "Fa i Joda kosa hisy mponina foana, Ary i Jerosalema hisy mponina hatramin\u2019ny taranaka fara aman-dimby.", "21": "Hoheveriko ho tsy manan-tsiny izy ireo, na dia nanan-tsiny aza ny fahitako azy taloha. Ary izaho Jehovah dia hipetraka ao Ziona.\u201d" }, "meta": { "name": "Joela", "order": 28, "chapter_number": 3 } }