mg-bibles
Version:
A package for accessing Bible verses in Malagasy (MG), Diem, King James (KJV), and Louis Segond (APEE) versions
35 lines (34 loc) • 5.63 kB
JSON
{
"1": {
"1": "Avy amin\u2019i Joda, mpanompon\u2019i Jesosy Kristy sady rahalahin\u2019i Jakoba. Ho an\u2019ireo nofidin\u2019Andriamanitra Ray sady tiany, ary arovany ho an\u2019i Jesosy Kristy,",
"2": "Enga anie Andriamanitra hamindra fo aminareo ka ho tia sy hanome fiadanana anareo, ary enga anie ka hataony mihoatra noho ny hatramin\u2019izay izany!",
"3": "Ry malala, efa tena te hanoratra taminareo momba ny famonjena iombonantsika aho, nefa hitako hoe aleo manoratra mba hampirisihana anareo hiady mafy hiaro ny finoana, izay nomena indray mandeha fotsiny ho an\u2019ny olona masina.",
"4": "Izao mantsy: Nisy olona nitsofoka mangingina teo aminareo, ary efa noresahin\u2019ny Soratra Masina hatramin\u2019ny ela be fa mendrika ny hosazina izy ireo. Tsy matahotra an\u2019Andriamanitra izy ireo. Mieritreritra mantsy izy ireo hoe tsy maninona na dia manana fitondran-tena tsy misy henatra aza satria hoe tsara fanahy be ilay Andriamanitsika. Mivadika amin\u2019i Jesosy Kristy, ilay Tompo nividy antsika, koa izy ireo.",
"5": "Efa fantatrareo tsara daholo izany. Mbola te hampahatsiahy anareo anefa aho hoe na dia novonjen\u2019i Jehovah avy tany Ejipta aza ny vahoakany, dia naringany ihany tat\u1ef3 aoriana izay tsy nino.",
"6": "Nofatorany mandrakizay ao amin\u2019ny toerana maizim-be koa ny anjely sasany, mba hotsaraina amin\u2019ilay andro lehibe. Niala tamin\u2019ny andraikitra nampanaovina azy mantsy izy ireny, sady nandao ny toerana nipetrahany.",
"7": "Nanao hoatran\u2019ireny anjely ireny koa i Sodoma sy Gomora ary ny tan\u00e0na nanodidina azy. Nanaram-po tamin\u2019ny fijangajangana tena mamoafady mantsy izy ireo, sady nanatanteraka ny fanirian\u2019ny nofony mba hanao zavatra tsy fanao. Afo maharitra mandrakizay no saziny, ka lasa anatra ho antsika izy ireo.",
"8": "Na izany aza, dia mbola manonofinofy zava-dratsy ihany ireny olona ireny ka mandoto ny nofony. Tsy miraharaha an\u2019izay manana fahefana koa izy ireny, ary manaratsy an\u2019izay manana voninahitra.",
"9": "I Mikaela arkanjely anefa rehefa nifamaly tamin\u2019ny Devoly momba ny fatin\u2019i Mosesy, dia tsy sahy nanameloka azy na nanaratsy azy. Hoy mantsy izy: \u201cHiteny mafy anao anie i Jehovah!\u201d",
"10": "Ireny olona ireny anefa manaratsy ny zava-drehetra tsy takatry ny sainy akory. Hoatran\u2019ny biby tsy misaina izy ireny ka manao hoatran\u2019ny fanaon\u2019ny biby amin\u2019ny zava-drehetra ataony, dia lasa manimba tena.",
"11": "Voa mafy izy ireny fa nanao hoatran\u2019i Kaina, sady maimay hanao zavatra tsy mety toy ny nataon\u2019i Balama mba hahazoana valisoa. Nanakiana an\u2019izay manana fahefana ireny, toy ny nataon\u2019i Kora, ka ho ringana koa.",
"12": "Harambato voasaron\u2019ny rano izy ireny, ao amin\u2019ny fanasam-pifankatiavana ataonareo, rehefa miara-manao fety aminareo. Mpiandry ondry tsy mahalala afa-tsy ny tenany koa ireny, sady tsisy tahotra akory. Rahona tsy mitondra orana sady avezivezin\u2019ny rivotra ireny, ary hazo tsy mamoa amin\u2019ny fotoanany, izay maty tanteraka ka nongotana.",
"13": "Onjan-dranomasina misamboaravoara sady mamoaka loto izy ireny, ary tokony hahamenatra azy izany. Kintana mirenireny koa ireny, ary efa voatokana mandrakizay ho ao amin\u2019ny toerana faran\u2019izay maizina.",
"14": "Naminany momba azy ireny koa i Enoka, ilay taranaka fahafito avy tamin\u2019i Adama, rehefa nilaza hoe: \u201cEfa tonga i Jehovah, miaraka amin\u2019ny anjeliny masina an\u2019alinaliny,",
"15": "mba hitsara ny olona rehetra sy hanasazy an\u2019izay rehetra tsy matahotra an\u2019Andriamanitra. Hosazin\u2019Andriamanitra ireny mpanota ireny noho ny zava-dratsy rehetra nataony sy ny teny fanaratsiana rehetra nolazainy.\u201d",
"16": "Mpimenomenona sady be taraina momba ny fiainany ireny olona ireny, ary manao izay danin\u2019ny kibony fotsiny. Tena matin-kambo izy ireny ary tia mandokadoka olona mba hahazoana tombontsoa.",
"17": "Fa ianareo kosa, ry malala, tadidio ny teny efa nolazain\u2019ny apostolin\u2019i Jesosy Kristy Tompontsika.",
"18": "Nilaza taminareo foana mantsy izy ireo hoe: \u201cAmin\u2019ny andro farany, dia hisy mpaneso hanatanteraka ny faniriany hanao ratsy.\u201d",
"19": "Ireny no mahatonga ny fiangonana tsy hiray saina. Olona araka ny nofo izy ireny, fa tsy manana ny fanahin\u2019Andriamanitra.",
"20": "Hatanjaho kosa ny finoanareo masina, ry\u00a0malala, dia avelao hiasa aminareo ny fanahy masina rehefa mivavaka ianareo,",
"21": "amin\u2019izay ianareo ho tian\u2019 Andriamanitra foana. Tokony hanantena foana koa ianareo hoe hamindra fo aminareo i Jesosy Kristy Tompontsika, ka ho afaka hiaina mandrakizay ianareo.",
"22": "Ary miezaha foana hamindra fo amin\u2019izay misalasala.",
"23": "Vonjeo izy ka sintony haingana avy ao anaty afo. Miezaha foana hamindra fo amin\u2019ny olon-kafa nefa mitandrema ihany ka ankahalao ny fitondran-tena voapentin\u2019ny ota.",
"24": "Ilay Andriamanitsika be\u00a0voninahitra dia afaka manampy anareo mba tsy hisy tsiny eo anatrehany, amin\u2019izay ianareo ho faly be. Afaka manampy anareo tsy hanota koa izy.",
"25": "Ho an\u2019ilay Andriamanitra tokana izay namonjy antsika tamin\u2019ny alalan\u2019i Jesosy Kristy Tompontsika anie ny voninahitra, ny fahalehibeazana, ny fanjakana, ary ny fahefana hatramin\u2019ny taloha indrindra sy ankehitriny ary ho mandrakizay! Amena."
},
"meta": {
"name": "Joda",
"order": 64,
"chapter_number": 1
}
}