UNPKG

mg-bibles

Version:

A package for accessing Bible verses in Malagasy (MG), Diem, King James (KJV), and Louis Segond (APEE) versions

1,162 lines 134 kB
{
    "1": {
        "1": "Nisy lehilahy iray atao hoe Joba tany Oza. Nanao ny marina sy tsy nivadika izy, sady natahotra an\u2019Andriamanitra ka nifady ny ratsy.",
        "2": "Nanan-janaka fito lahy sy telo vavy izy,",
        "3": "ary nanana ondry 7\u00a0000, rameva 3\u00a0000, omby 1\u00a0000, ary ampondra 500. Nanana mpanompo be dia be koa izy. Izy \u00e0ry no lasa nanan-karena indrindra tamin\u2019ny Tatsinanana rehetra.",
        "4": "Nifandimby nanao fanasambe tany an-tranony avy ireo zanany lahy, ary samy nanana ny andro nanaovany an\u2019izany. Nasain\u2019izy ireo hiara-mihinana sy misotro aminy koa izy telo vavy anabaviny.",
        "5": "Rehefa nahavita ny anjara fanasany avy ny zanany, dia nampiantso azy ireo i Joba mba hanamasina azy ireo. Dia nifoha maraina izy ka nanolotra fanatitra dorana araka ny isan\u2019ny zanany. Fa hoy izy: \u201cSao nanota sy nanozona an\u2019Andriamanitra tao am-pony ny zanako.\u201d Izany foana no fanaon\u2019i Joba.",
        "6": "Ary tonga ny andro hankanesan\u2019ireo zanak\u2019Andriamanitra teo anatrehan\u2019i Jehovah, dia mba tonga niaraka tamin\u2019izy ireo teo koa i Satana.",
        "7": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Satana: \u201cAvy taiza ianao?\u201d Dia namaly an\u2019i Jehovah i Satana hoe: \u201cAvy nivezivezy teny ambonin\u2019ny tany sy nandehandeha teny aho.\u201d",
        "8": "Ary hoy i Jehovah tamin\u2019i Satana: \u201cEfa nandinika an\u2019i Joba mpanompoko ve ianao? Tsy misy hoatr\u2019azy eny ambonin\u2019ny tany. Manao ny marina sy tsy mivadika izy, sady matahotra an\u2019Andriamanitra ka mifady ny ratsy.\u201d",
        "9": "Dia namaly an\u2019i Jehovah i Satana hoe: \u201cHatahotra an\u2019Andriamanitra ve i Joba raha tsy misy tombontsoany ao?",
        "10": "Tsy ianao ve no niaro azy sy ny ankohonany ary ny fananany rehetra? Notahinao ny asan\u2019ny tanany, dia lasa be dia be mameno ny tany ny biby fiompiny.",
        "11": "Fa atsory ange ny tananao ary esory aminy daholo ny fananany rehetra\u00a0e, dia ho hitanao fa eo imasonao mihitsy izy no hanozona anao.\u201d",
        "12": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Satana: \u201cEo an-tananao izay ananany rehetra, fa izy fotsiny no aza asiana!\u201d Dia niala teo anatrehan\u2019i Jehovah i Satana.",
        "13": "Indray andro, raha mbola nisakafo sy nisotro divay tao an-tranon\u2019ny lahimatoa ireo zanany lahy sy ireo zanany vavy,",
        "14": "dia nisy olona tonga tany amin\u2019i Joba nilaza hoe: \u201cMbola teo am-piasana tany ny omby ary mbola niraoka ahitra teny akaikiny ny ampondra",
        "15": "no nanafika ny Sabeanina, dia nalainy ireo omby sy ampondra. Ary novonoiny tamin\u2019ny sabatra ny mpanompo, dia izaho irery sisa no afa-nandositra hilaza aminao.\u201d",
        "16": "Tsy tapitra akory ny teniny, dia efa nisy tonga nilaza hoe: \u201cNisy afon\u2019Andriamanitra nilatsaka avy tany an-danitra ka nandoro an\u2019ireo ondry sy ny mpanompo, dia nandevona an\u2019ireny! Ary izaho irery sisa no afa-nandositra hilaza aminao.\u201d",
        "17": "Tsy tapitra akory ny teniny, dia efa nisy hafa koa tonga nilaza hoe: \u201cNanao andiany telo ny Kaldeanina ka nirohotra nankeny amin\u2019ny rameva, dia nalainy ireny. Ary novonoiny tamin\u2019ny sabatra ny mpanompo, dia izaho irery sisa no afa-nandositra hilaza aminao.\u201d",
        "18": "Tsy tapitra akory ny teniny, dia efa nisy hafa koa tonga nilaza hoe: \u201cMbola nisakafo sy nisotro divay tao an-tranon\u2019ny lahimatoa ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy",
        "19": "no nisy rivotra nifofofofo tampoka avy any an-tany efitra, ka namely ny zoron-trano efatra. Nianjera ilay trano, dia maty tototr\u2019ilay izy tao ny zanakao. Ary izaho irery sisa no afa-nandositra hilaza aminao.\u201d",
        "20": "Dia nitsangana i Joba ka norovitiny ny akanjony, ary notapahiny ny volony. Niankohoka tamin\u2019ny tany izy avy eo,",
        "21": "sady niteny hoe: \u201cNitanjaka no nivoahako avy tao an-kibon-dreniko, Ary mitanjaka no hiverenako any. I Jehovah no nanome, ary i\u00a0Jehovah no naka. Hoderaina foana anie ny anaran\u2019i Jehovah!\u201d",
        "22": "Na teo aza anefa izany rehetra izany, dia tsy nanota i Joba sady tsy nanome tsiny an\u2019Andriamanitra mihitsy."
    },
    "2": {
        "1": "Tat\u1ef3 aoriana, dia tonga indray ny andro hankanesan\u2019ireo zanak\u2019Andriamanitra teo anatrehan\u2019i Jehovah. Mba tonga niaraka tamin\u2019izy ireo teo koa i Satana, ka nankeo anatrehan\u2019i Jehovah.",
        "2": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Satana: \u201cAvy taiza ianao?\u201d Dia namaly an\u2019i Jehovah i Satana hoe: \u201cAvy nivezivezy teny ambonin\u2019ny tany sy nandehandeha teny aho.\u201d",
        "3": "Ary hoy i Jehovah tamin\u2019i Satana: \u201cEfa nandinika an\u2019i Joba mpanompoko ve ianao? Tsy misy hoatr\u2019azy eny ambonin\u2019ny tany. Manao ny marina sy tsy mivadika izy, sady matahotra an\u2019Andriamanitra ka mifady ny ratsy. Mbola tsy mivadika mihitsy izy, na dia mampirisika ahy hamotika ny fiainany tsy amin\u2019antony aza ianao.\u201d",
        "4": "Dia namaly an\u2019i Jehovah i Satana hoe: \u201cHoditra solon\u2019ny hoditra! Hanome an\u2019izay ananany rehetra ny olona mba hiarovana ny ainy.",
        "5": "Fa atsory ange ny tananao\u00a0e, ary asio ny taolany sy ny nofony, dia ho hitanao fa eo imasonao mihitsy izy no hanozona anao.\u201d",
        "6": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Satana: \u201cEo an-tananao izy, fa ny ainy ihany no aza esorina!\u201d",
        "7": "Koa niala teo anatrehan\u2019i Jehovah i Satana, dia nasiany vay mampanaintaina be i Joba, hatrany an-tampon-dohany ka hatrany am-paladiany.",
        "8": "Ary naka vakim-bilany tanimanga i Joba hikikisany ny tenany. Dia nipetraka teo amin\u2019ny lavenona izy.",
        "9": "Farany, dia hoy ny vadiny taminy: \u201cMbola tsy mivadika amin\u2019Andriamanitra ihany ve ianao? Manoz\u00f2na an\u2019Andriamanitra, dia aleo ianao maty!\u201d",
        "10": "Hoy anefa i Joba taminy: \u201cMiteniteny foana hoatran\u2019ny vehivavy tsy misaina ianao! Ny tsara ihany angaha no raisintsika avy amin\u2019ilay tena Andriamanitra fa tsy ny ratsy koa?\u201d Na teo aza izany rehetra izany, dia tsy nanota i Joba tamin\u2019izay nolazainy.",
        "11": "Ary naheno an\u2019izany loza rehetra nanjo an\u2019i Joba izany ny namany telo lahy, ka tonga avy any amin\u2019izay nisy azy avy. Tsy iza izany fa i Elifaza Temanita sy Bildada Sohita ary Zofara Namatita. Koa nifanao fotoana izy ireo hoe ho any amin\u2019i Joba mba hiara-miory aminy sy hampionona azy.",
        "12": "Rehefa nahatazana azy avy lavitra izy telo lahy, dia tsy nahafantatra azy. Ary nanomboka nigogogogo nitomany izy ireo sady samy nandrovitra ny akanjony, ary nanipy vovoka teny amin\u2019ny rivotra sy teo amin\u2019ny lohan\u2019izy ireo.",
        "13": "Niara-nipetraka taminy teo amin\u2019ny tany, fito andro sy fito alina, izy telo lahy avy eo. Ary tsy nisy niteny taminy izy ireo na indraim-bava aza, satria hitan\u2019izy ireo fa nijaly be izy."
    },
    "3": {
        "1": "Taorian\u2019izany dia nanomboka niteny i Joba ka nanozona ny andro nahaterahany.",
        "2": "Hoy izy:",
        "3": "\u201cHo foana anie ilay andro nahaterahako, Sy ilay alina nilazana hoe: \u2018Misy zazalahy vao miforona ao am-bohoka!\u2019",
        "4": "Enga anie ho maizina izany andro izany! Tsy hiraharaha an\u2019izany anie ilay Andriamanitra any ambony any, Ary tsy hisy hazavana hamiratra anie amin\u2019izany!",
        "5": "Enga anie haka azy indray ny haizim-pito! Hisy rahona mitatao anie eo aminy, Ary hampihorohoro azy anie izay rehetra manamaizina ny andro!",
        "6": "Handrombaka an\u2019izany alina izany anie ny haizina mikitroka. Enga anie izy tsy hiara-mifaly amin\u2019ireo andro ao anatin\u2019ny taona, Sady tsy hisaina ho isan\u2019ireo volana!",
        "7": "Tsy hamokatra tokoa anie izany alina izany, Sady tsy handrenesana fihobiana!",
        "8": "Hanozona azy anie ireo manozona ny andro, Dia ireo mahavita mamoha Leviatana!",
        "9": "Hihamaizina anie ny kintan\u2019ny marainany! Enga anie izy ho sasa-miandry ny mazava, Ary tsy ho hitany ny taratry ny mazava ratsy!",
        "10": "Fa tsy nanidy ny varavaran\u2019ny kibon\u2019ny reniko izy, Na nanafina ny fahoriana tsy ho hitan\u2019ny masoko.",
        "11": "Nahoana re aho no tsy tonga\u00a0dia maty tamin\u2019izaho vao teraka\u00a0e? Nahoana aho no tsy niala aina rehefa nivoaka avy tao an-kibo?",
        "12": "Nahoana no nisy lohalika niampofo\u00a0ahy Sy nono ninonoako?",
        "13": "Fa raha tsy izany, dia efa nandry tamim-piadanana aho, Ary efa natory ka niala sasatra",
        "14": "Niaraka tamin\u2019ny mpanjakan\u2019ny tany sy ny mpanolo-tsainan\u2019izy ireo, Izay nanorina toerana ho an\u2019ny tenany saingy efa rava izany ankehitriny,",
        "15": "Na niaraka tamin\u2019ny andriana nanana volamena Sy trano feno volafotsy.",
        "16": "Na maninona aho no tsy toy ny zaza vao mitsaika nefa afaka sahady, Toy ny zaza tsy nahita masoandro mihitsy?",
        "17": "Na ny ratsy fanahy aza tsy mitebiteby intsony, rehefa any am-pasana. Any ny reraka no miala sasatra.",
        "18": "Any ny gadra rehetra no miadana; Tsy henon\u2019izy ireo intsony ny feon\u2019izay manery azy hiasa.",
        "19": "Mitovy ihany ny kely sy ny lehibe rehefa any, Ary afaka amin\u2019ny tompony ny mpanompo.",
        "20": "Nahoana no ataony mahita masoandro ny olona mijaly, Ary omeny aina ny olona mizaka ny mangidy?",
        "21": "Nahoana izy ireo no te ho faty nefa tsy mety tonga Rafahafatesana? Mikaroka an\u2019izany mihoatra noho ny harena miafina izy ireo,",
        "22": "Dia ireo olona faly be Sy ravoravo rehefa mahita ny fasana.",
        "23": "Nahoana no ataon\u2019Andriamanitra mahita masoandro ny olona very lalana, Izay efa nataony tapi-dalan-kaleha?",
        "24": "Fa ny sentoko no solon\u2019ny sakafoko, Ary miraradraraka toy ny rano ny fitarainako.",
        "25": "Fa ilay zavatra nampihorohoro ahy mihitsy no mihatra amiko, Ary ilay natahorako no manjo ahy.",
        "26": "Tsy mba niadana aho, na nilamindamina, na mba afaka naka aina, Fa tebiteby lava no iainako.\u201d"
    },
    "4": {
        "1": "Dia namaly i Elifaza Temanita hoe:",
        "2": "\u201cHandreraka be anao ve raha mba misy te hiresaka aminao? Fa iza moa no mahafehy ny vavany tsy hiteny?",
        "3": "Marina fa efa nanitsy olona maro ianao, Ary efa zatra nanatanjaka an\u2019ireo miraviravy tanana.",
        "4": "Ny teninao no nanarina an\u2019izay saika lavo, Ary nohatanjahinao ny lohalika mangozohozo.",
        "5": "Ianao anefa izao no tratran\u2019izany, dia tsy hitanao izay hatao; Mihatra aminao izany, dia kivy ianao.",
        "6": "Tsy manome toky anao angaha ny fanajanao an\u2019Andriamanitra, Ary tsy manome fanantenana anao angaha ny tsy fivadihanao?",
        "7": "Mba tadidio kely hoe iza moa no tsy nanan-tsiny nefa maty? Oviana no mba nisy olo-marina naringana?",
        "8": "Raha ny efa hitako, dia izay mamboly zava-dratsy Sy izay mamafy fahoriana no hijinja an\u2019izany.",
        "9": "Ny fofonain\u2019Andriamanitra no maharipaka an\u2019ireny, Ary ny fipoahan\u2019ny fahatezerany no mahafaty an\u2019ireny.",
        "10": "Mierona ny liona, ary mierona moramora ny liona tanora, Nefa na ny nifin\u2019ny liona matanjaka aza tapaka ihany.",
        "11": "Maty ny liona raha tsy misy biby hazaina, Ary miparitaka ny zana-diona.",
        "12": "Nisy teny nolazaina tamiko mangingina, Ary reko nobitsibitsihina tamiko izany.",
        "13": "Tamin\u2019izaho nikorontan-tsaina nandritra an\u2019ireo fahitana hitako tamin\u2019ny alina, Rehefa iny renoky ny torimaso iny ny olona,",
        "14": "Dia nangovitra be aho, Ka nihorohoro ny taolako rehetra.",
        "15": "Nisy fanahy nandalo teo anatrehako, Ka nitsangam-bolo aho.",
        "16": "Dia nijanona izy, Nefa tsy fantatro ny endriny. Nisy zavatra teo anoloan\u2019ny masoko; Ary nisy fahanginana, dia avy eo aho nandre feo niteny hoe:",
        "17": "\u2018Mety ho marina kokoa noho Andriamanitra ve ny olombelona mety maty? Mety hadio kokoa noho ny Mpanao azy ve ny olona?\u2019",
        "18": "Jereo fa ny mpanompony aza tsy atokisany, Ary ny anjeliny aza hitany hoe misy tsininy,",
        "19": "Mainka fa ireo mipetraka ao amin\u2019ny trano tanimanga, Izay miorina eo amin\u2019ny vovoka, Ka mora torotoroina toy ny bibikely!",
        "20": "Mbola tsy hariva ny andro dia efa potipotika ireny, Maty mandrakizay izy nefa tsy misy miraharaha.",
        "21": "Tsy hoatran\u2019ny tranolay efa tsy misy tady mitazona azy intsony ve izy ireny? Maty tsy nanam-pahendrena izy ireny."
    },
    "5": {
        "1": "\u201cMiantsoa ange\u00a0e! Hisy hamaly anao\u00a0ve? Iza amin\u2019ny anjely no hitadiavanao vonjy?",
        "2": "Fa ny fahasosorana no hahafaty ny adala, Ary ny fialonana no hamono ny kely saina.",
        "3": "Hitako fa tafita ny adala, Saingy nisy nanozona tampoka ny fonenany.",
        "4": "Tsy voaro ny zanany, Sady torotoro eo am-bavahadin\u2019ny tan\u00e0na nefa tsy misy mamonjy.",
        "5": "Lanin\u2019ny olona noana izay jinjain\u2019ny adala, Ka alainy hatramin\u2019izay any anaty tsilo, Ary voafandrika ny fananan\u2019izy ireo.",
        "6": "Fa tsy hitsimoka avy amin\u2019ny vovoka ny zavatra manimba, Ary tsy haniry avy amin\u2019ny tany ny fahoriana.",
        "7": "Fa nateraka hijaly ny olona, Toy ny pitik\u2019afo tsy maintsy misidina ambony.",
        "8": "Fa raha izaho ianao dia Andriamanitra no hangatahako fanampiana, Ary Andriamanitra no hasaiko mitsara ny adiko,",
        "9": "Dia Ilay manao zavatra lehibe tsy takatry ny saina, Sy zava-mahagaga tsy hita isa.",
        "10": "Mandatsaka orana ho an\u2019ny tany\u00a0izy Ary mandefa rano eny an-tsaha.",
        "11": "Asandrany ho eo amin\u2019ny avo ny olona ambany, Ary asandrany hahazo famonjena ny kivy.",
        "12": "Ataony tsy tanteraka ny tetiky ny olona fetsy ratsy, Ka tsy mahomby izay ataon\u2019ny tanan\u2019izy ireo.",
        "13": "Ny hafetsen\u2019ny hendry ihany no amandrihany azy, Ka rava ny tetiky ny fetsifetsy.",
        "14": "Tratry ny haizina izy ireny amin\u2019ny antoandro, Ary mitsapatsapa izy ireo rehefa mitataovovonana, toy ny hoe alina ny andro.",
        "15": "Mamonjy ny olona tsy ho azon\u2019ny sabatra mivoaka amin\u2019ny vavan\u2019ireny izy. Mamonjy ny mahantra tsy ho azon\u2019ny tanan\u2019ny mahery izy,",
        "16": "Ka lasa manana fanantenana ny madinika, Fa mikombona kosa ny vavan\u2019ny olona tsy marina.",
        "17": "Sambatra ny olona anarin\u2019Andriamanitra, Ka aza lavina ny famaizan\u2019ilay Mahery Indrindra!",
        "18": "Fa izy no mahatonga fanaintainana, nefa izy koa no mamehy ny ratra; Izy no mamotika, nefa ny tanany ihany no manasitrana.",
        "19": "Hamonjy anao tsy ho azon\u2019ny loza enina izy, Ary na dia ny loza fahafito aza tsy hahavoa anao.",
        "20": "Hanavotra anao tsy ho faty izy rehefa misy mosary, Ary hanavotra anao tsy hiharan\u2019ny herin\u2019ny sabatra, mandritra ny ady.",
        "21": "Ho voaro tsy ho voan\u2019ny karavasin\u2019ny lela ianao, Ary tsy hatahotra rehefa tonga ny fandravana.",
        "22": "Hihomehezanao fotsiny ny fandringanana sy ny hanoanana, Ary tsy hatahoranao ny bibidia et\u1ef3 an-tany.",
        "23": "Fa tsy haninona anao ny vato any an-tsaha, Ary hihavana aminao ny bibidia any an-tsaha.",
        "24": "Dia ho hitanao fa azo antoka ny tranolainao, Ary tsy misy na inona na inona very ao amin\u2019ny kijananao, rehefa tonga hijery azy io ianao.",
        "25": "Hanan-janaka maro ianao, Ary ho be dia be hoatran\u2019ny zavamaniry amin\u2019ny tany ny taranakao.",
        "26": "Rehefa ho any am-pasana ianao dia mbola hatanjaka, Hoatran\u2019ny salohim-bary jinjaina amin\u2019ny fotoanany.",
        "27": "Namotopototra an\u2019izany izahay ka izay no hitanay. Henoy izany, ary ekeo.\u201d"
    },
    "6": {
        "1": "Dia namaly i Joba hoe:",
        "2": "\u201cRaha mba azo lanjaina daholo mantsy ny fahoriako, Sady azo atao eo amin\u2019ny mizana miaraka aminy koa ny loza manjo ahy!",
        "3": "Fa mavesatra noho ny fasika any an-dranomasina izany izao, Ka nirediredy aho.",
        "4": "Fa mitsatoka amiko ny zana-tsip\u00eckan\u2019ilay Mahery Indrindra, Ary ny poizina avy amin\u2019izany no sotroiko. Milahatra hamely ahy ny horohoro avy amin\u2019Andriamanitra.",
        "5": "Haneno ve ny ampondradia raha efa eo anoloan\u2019ny ahitra? Ary hitrena ve ny omby raha efa mahazo sakafo?",
        "6": "Sakafo matsatso ve dia hohanina tsy misy sira, Ary misy tsirony ve ny rona fiandrilavenona?",
        "7": "Tsy nety nikasika an\u2019ireny aho, Fa toy ny loto ao amin\u2019ny sakafoko ireny.",
        "8": "Raha mba azoko mantsy izay angatahiko, Ary omen\u2019Andriamanitra ahy izay iriko!",
        "9": "Raha mba manaiky hamotika ahy mantsy Andriamanitra, Ka manatsotra ny tanany, dia mamono ahy!",
        "10": "Na izany aza mantsy dia hampionona ahy. Hitsinjaky ny hafaliana aho na dia manaintaina lava aza, Satria tsy nolaviko ny tenin\u2019Ilay Masina.",
        "11": "Mbola manan-kery hiandrasana ihany ve aho? Ary inona moa no hiafarako no mbola tokony ho velona foana aho?",
        "12": "Herim-bato ve ny heriko? Ary varahina ve ny nofoko?",
        "13": "Misy fomba azoko anavotana ny tenako angaha, Raha nesorina tamiko daholo izay afaka manampy ahy?",
        "14": "Izay tsy tia ny namany sy mivadika aminy, Dia tsy hatahotra an\u2019ilay Mahery Indrindra intsony.",
        "15": "Ny rahalahiko dia mamitaka toy ny riaka amin\u2019ny andro ririnina, Toy ny riaka amin\u2019ny andro ririnina izay mihar\u00ectra.",
        "16": "Lasa matroka ireny azon\u2019ny ranomandry, Ary miafina ao aminy ny lanezy mitsonika.",
        "17": "Tsy misy rano intsony anefa ireny rehefa mandeha ny fotoana, ka manjavona. Ritra ireny rehefa mafana ny andro.",
        "18": "Mivily lalana ireny, Ary mikoriana mankany an-tany efitra dia maina.",
        "19": "Mitady an\u2019ireny ny olona niara-dia avy any Tema, Ary miandry an\u2019ireny ny mpanao dia lavitra avy any Sheba.",
        "20": "Menatra izy ireo satria nanantena tsy misy, Tonga teo ry zareo kanjo diso fanantenana.",
        "21": "Fa hoatr\u2019izany koa no fahitako anareo; Mahita ny hamafin\u2019ny loza manjo ahy ianareo, dia raiki-tahotra.",
        "22": "Angaha izaho niteny hoe: \u2018Omeo zavatra aho\u2019, Na nangataka anareo mba hanome ahy amin\u2019ny harenanareo?",
        "23": "Angaha izaho nangataka hoe vonjeo amin\u2019ny fahavaloko aho, Na hoe afaho amin\u2019ireo mpampijaly ahy?",
        "24": "Mba ampianaro aho, fa hangina; Ampio aho hahafantatra hoe inona no fahadisoako.",
        "25": "Tsy mba mandratra ny teny marina! Fa inona kosa no mba soa azo avy amin\u2019ny fananaranareo?",
        "26": "Mitetika ny hanitsy ny teniko ve ianareo, Nefa tenin\u2019olona mamoy fo fotsiny izany ka entin\u2019ny rivotra?",
        "27": "Na ny kamboty koa aza hataonareo antsapaka, Ary hamidinareo ny namanareo!",
        "28": "Koa ankehitriny, mitodiha dia jereo aho, Fa tsy handainga eo imasonareo aho.",
        "29": "Mba diniho indray ange\u00a0e, ary aza diso fitsara ahy, Eny, diniho indray, fa mbola ao tsara ny fahamarinako.",
        "30": "Miteny zavatra tsy ara-drariny ve ny lelako? Ary tsy tsapan\u2019ny lanilaniko ve fa misy zavatra tsy mety?"
    },
    "7": {
        "1": "\u201cTsy hoatran\u2019ny asa an-terivozona ve ny fiainan\u2019ny olombelona eto an-tany? Ary tsy toy ny andron\u2019ny mpikarama ve ny androny?",
        "2": "Toy ny mpanompo maniry mafy hahazo alokaloka izy, Ary toy ny mpikarama miandry ny karamany.",
        "3": "Koa volana maro tsy misy dikany no nomena ho anjarako, Ary alina feno fahoriana no natokana ho ahy.",
        "4": "Rehefa matory aho, dia mieritreritra hoe: \u2018Rahoviana re aho no hifoha\u00a0e?\u2019 Hoatran\u2019ny tsy mety tapitra anefa ny alina, ka sasatry ny mivadibadika aho mandra-pahangiran-dratsin\u2019ny andro.",
        "5": "Rakotra olitra sy vovoka mivaingambaingana ny nofoko. Feno takopery sy nana ny hoditro.",
        "6": "Mandeha haingana noho ny famahanana tenona ny androko, Ary lany tsy misy fanantenana.",
        "7": "Tsarovy fa miserana toy ny rivotra ny fiainako, Ary tsy hahita hasambarana intsony mihitsy ny masoko.",
        "8": "Tsy hahita ahy intsony ny mason\u2019izay mijery ahy; Hitady ahy ny masonao, nefa tsy ho eo intsony aho.",
        "9": "Toy ny rahona misava ka manjavona, Dia tsy hiakatra intsony izay midina any amin\u2019ny Fasana.",
        "10": "Tsy hiverina any an-tranony intsony izy, Ary tsy hahatadidy azy intsony ny toerana nisy azy.",
        "11": "Koa tsy hifehy ny vavako aho. Hiteny aho noho ny fahorian-tsaiko; Hitaraina aho fa mangidy loatra ny fiainako!",
        "12": "Izaho angaha ranomasina sa biby ngezabe any an-dranomasina, No dia ataonao tsara ambina?",
        "13": "Rehefa milaza aho hoe: \u2018Hampionona ahy ny farafarako; Ary hanamaivana ny fahoriako ny fandrianako\u2019,",
        "14": "Dia mampihorohoro ahy amin\u2019ny nofy ianao, Ary mampitahotra ahy amin\u2019ny fahitana.",
        "15": "Koa aleoko maty sempotra, Eny, aleoko maty toy izay velona nefa hoatr\u2019izao ny vatako.",
        "16": "Maharikoriko ahy ny fiainako. Tsy te ho velona intsony aho. Aza helingelenina aho, fa miserana toy ny fofonaina ny androko.",
        "17": "Inona moa izay olombelona mety maty no horaharahianao Sy hifantohanao?",
        "18": "Nahoana ianao no mandinika azy isa-maraina, Ka mitsapa toetra azy tsy an-kiato?",
        "19": "Mba rahoviana re ianao vao tsy hijery\u00a0ahy Sy tsy hanelingelina ahy\u00a0e, amin\u2019izay aho mba manam-potoana hiteleman-drora?",
        "20": "Raha nanota aho, inona moa no voka-dratsin\u2019izany aminao, ry Mpandinika ny olombelona? Fa maninona no izaho no kendrenao? Lasa enta-mavesatra ho anao angaha aho?",
        "21": "Nahoana ianao no tsy mamela ny heloko, Ary tsy manadino ny fahadisoako? Fa efa hatory eo amin\u2019ny vovoka aho, Ary hitady ahy ianao, nefa tsy ho eo intsony aho.\u201d"
    },
    "8": {
        "1": "Dia namaly i Bildada Sohita hoe:",
        "2": "\u201cMandra-pahoviana ianao no hiteniteny hoatr\u2019izany? Rediredy fotsiny ny teny lazain\u2019ny vavanao!",
        "3": "Andriamanitra ve dia hamadika ny rariny? Ary ilay Mahery Indrindra ve dia hanao ny tsy marina?",
        "4": "Raha nanota taminy ny zanakao, Dia navelany ho voasazy satria nikomy.",
        "5": "Raha mba mitady an\u2019Andriamanitra anefa ianao, Sady mitalaho famindram-po amin\u2019ilay Mahery Indrindra,",
        "6": "Ary raha tena madio sy marina ianao, Dia hitsinjo anao izy, Ka haveriny amin\u2019ny toerana tokony hisy anao ianao.",
        "7": "Ary na kely aza no niandohanao, Dia ho lehibe no hiafaranao.",
        "8": "Mba anontanio ange ny olona taloha\u00a0e, Ary diniho tsara izay efa hitan\u2019ireo razambeny!",
        "9": "Fa vao teraka omaly isika, ka tsy mahalala na inona na inona, Satria toy ny aloka ihany ny androntsika eto an-tany.",
        "10": "Tsy hampianatra anao ve izy ireo, Ka hoteneniny anao izay fantany?",
        "11": "Haniry tsara ve ny zozoro raha tsy eny amin\u2019ny honahona? Ary haniry tsara ve ny bararata raha tsy misy rano?",
        "12": "Mbola tsy mamelana sy tsy voatapaka akory izy, Dia efa ho maina alohan\u2019ny zavamaniry hafa rehetra.",
        "13": "Toy izany no hiafaran\u2019izay rehetra manadino an\u2019Andriamanitra, Satria ho foana ny fanantenan\u2019izay tsy matahotra azy,",
        "14": "Izay miantehitra amin\u2019ny hazo boboka, Sy matoky zavatra mora tapaka hoatran\u2019ny tranon-kala.",
        "15": "Hiankina amin\u2019ny tranony izy, nefa hianjera izany; Hiezaka hamikitra amin\u2019izany izy, nefa tsy haharitra izany.",
        "16": "Toy ny zavamaniry vonton-drano azon\u2019ny hainandro izy, Ary miparitaka ao amin\u2019ny zaridaina ny tsimok\u2019ilay izy.",
        "17": "Mifamatopatotra eo amin\u2019ny vato be\u00a0dia\u00a0be miavosa ny fakany; Mitady fonenana eo amin\u2019ireo vato izy.",
        "18": "Rehefa ongotana hiala amin\u2019ny toerany anefa izy, Dia handa azy ilay toerana ka hilaza hoe: \u2018Mbola tsy nahita anao mihitsy aho.\u2019",
        "19": "Hoatr\u2019izany no fomba hanjavonany; Dia hisy hafa indray hitsimoka avy eo amin\u2019ny vovoka.",
        "20": "Tsy harian\u2019Andriamanitra mihitsy anefa ireo tsy mivadika aminy, Ary tsy hanohana an\u2019ireo mpanao ratsy izy.",
        "21": "Fa mbola hataony feno hehy ny vavanao, Ary hofenoiny horakoraka sy fifaliana ny molotrao.",
        "22": "Hitafy henatra ireo mankahala anao, Ary tsy ho eo intsony ny tranolain\u2019ny ratsy fanahy.\u201d"
    },
    "9": {
        "1": "Dia namaly i Joba hoe:",
        "2": "\u201cFantatro tsara fa izany no izy. Hanana ny rariny ve anefa ny olombelona mety maty raha miady amin\u2019Andriamanitra eo amin\u2019ny fitsarana?",
        "3": "Raha misy olona te hiady hevitra aminy, Dia tsy hahavaly ny fanontaniany, na dia fanontaniana iray ao anatin\u2019ny arivo aza.",
        "4": "Manana fo hendry izy sady tena mahery. Koa iza no hanohitra azy ka ho afa-maina?",
        "5": "Mamindra tendrombohitra izy nefa tsy misy mahafantatra an\u2019izany. Aongany ireny rehefa tezitra izy.",
        "6": "Hozongozoniny hiala amin\u2019ny toerany ny tany, Ka mihovotrovotra ny andrin\u2019ny tany.",
        "7": "Omeny baiko ny masoandro mba tsy hiposaka, Ary takonany ny hazavan\u2019ny kintana;",
        "8": "Mamelatra ny lanitra samirery izy, Ary mandeha eny amin\u2019ny onjan-dranomasina avo be.",
        "9": "Izy no nanao an\u2019ireo antokon-kintana Asha sy Kesila ary Kimaha, Ary ny antokon-kintana eny amin\u2019ny lanitra atsimo;",
        "10": "Manao zavatra lehibe sady tsy takatry ny saina izy, Ary manao zava-mahagaga tsy voaisa.",
        "11": "Mandalo eo akaikiko izy nefa tsy afaka mahita azy aho; Lalovany aho nefa tsy tsikaritro izy.",
        "12": "Iza no hahatohitra azy rehefa maka zavatra an-keriny izy? Iza no ho afaka hiteny aminy hoe: \u2018Fa inona ity ataonao?\u2019",
        "13": "Tsy hifehy ny hatezerany Andriamanitra; Na ireo mpanampy an-dRahaba aza hiankohoka eo anatrehany.",
        "14": "Koa mainka moa fa raha hamaly azy aho! Tsy maintsy fidiko tsara ny teniko mba hahafahako miady hevitra aminy.",
        "15": "Tsy hamaly azy aho, na dia manana ny rariny aza. Tsy misy azoko atao afa-tsy ny mitalaho famindram-po amin\u2019ny mpitsara ahy.",
        "16": "Hamaly ve izy raha miantso azy aho? Tsy mino aho hoe hihaino ahy izy,",
        "17": "Fa mamotika ahy amin\u2019ny tafio-drivotra izy, Ary mampitombo ny feriko tsy amin\u2019antony.",
        "18": "Tsy avelany haka aina akory aho; Vokisany zava-mangidy foana aho.",
        "19": "Raha resaka hery, dia izy no tena matanjaka. Raha resaka fanaovana ny rariny, dia hoy izy: \u2018Iza no ho sahy hanao ampamoaka ahy?\u2019",
        "20": "Na manana ny rariny aza aho, dia hilaza ahy ho meloka ihany ny vavako; Na tsy mivadika mihitsy aza aho, dia hilaza ahy ho meloka izy.",
        "21": "Na tsy mivadika mihitsy aza aho, dia tsy fantatro hoe inona no hanjo ahy; Tsy ekeko izao fiainako izao.",
        "22": "Mitovy ihany izany. Izany no antony ilazako hoe: \u2018Samy haringany ihany na ny tsy manan-tsiny na ny ratsy fanahy.\u2019",
        "23": "Raha misy ranotrambo mahafaty tampoka, Dia hihomehezany ny famoizam-pon\u2019ny tsy manan-tsiny.",
        "24": "Natolotra ho an\u2019ny ratsy fanahy ny tany; Manampina ny mason\u2019ny mpitsaran\u2019ny tany izy. Raha tsy izy no manao an\u2019izany, dia iza?",
        "25": "Mandeha haingana kokoa noho ny mpihazakazaka ny androko; Lasa mandositra izany, ka tsy mahita zavatra tsara.",
        "26": "Misosa tahaka ny lakan-jozoro izany, Hoatran\u2019ny voromahery mifaoka ny hazany.",
        "27": "Raha miteny aho hoe: \u2018Hanadino ny fitarainako aho, Ary tsy hanjonitra intsony fa ho miramirana,\u2019",
        "28": "Dia mbola hatahotra ihany aho noho ny fanaintainako rehetra, Ary fantatro fa tsy hihevitra ahy ho tsy manan-tsiny ianao.",
        "29": "Ho hita hoe meloka aho. Koa nahoana aho no handrera-tena fotsiny?",
        "30": "Na misasa amin\u2019ny rano madio be aza aho, Ary manasa ny tanako amin\u2019ny savony,",
        "31": "Dia halentikao ao anaty lavaka ihany, Ka na ny akanjoko aza hankahala ahy.",
        "32": "Fa tsy olombelona tahaka ahy izy ka hoe azoko atao ny hamaly azy, Na hoe hifampitory any amin\u2019ny fitsarana izahay.",
        "33": "Tsy misy olona afaka manapa-kevitra momba anay, Ka ho mpitsara anay.",
        "34": "Raha tsy mikapoka ahy intsony izy, Ary tsy mampihorohoro ahy intsony mba hampitahorana ahy,",
        "35": "Dia tsy hatahotra ny hiresaka aminy aho, Satria tsy olona matahotra miteny aho."
    },
    "10": {
        "1": "\u201cMaharikoriko ahy ny fiainako. Havoakako daholo ny fitarainako. Hiteny aho fa mangidy loatra ny fiainako!",
        "2": "Hiteny amin\u2019Andriamanitra aho hoe: \u2018Aza tsarainao hoe meloka aho. Lazao amiko hoe maninona ianao no miady amiko.",
        "3": "Misy soa azonao ve rehefa mampijaly ahy ianao, Ka manao tsinontsinona ny asan\u2019ny tananao, Ary mankasitraka ny hevitry ny ratsy fanahy?",
        "4": "Mason\u2019olombelona angaha ny masonao, Sa mitovy fomba fijery amin\u2019ny olombelona mety maty ianao?",
        "5": "Toy ny androm-piainan\u2019ny olona mety maty angaha ny androm-piainanao, Sa hoatran\u2019ny taonan\u2019ny olona ny taonanao,",
        "6": "No tadiavinao izay fahadisoako, Ary karohinao ny fahotako?",
        "7": "Fantatrao fa tsy meloka aho, Sady tsy misy mahavonjy ahy eo an-tananao.",
        "8": "Ny tananao ihany no namolavola sy nanao ahy, Nefa tadiavinao horinganina tanteraka aho izao.",
        "9": "Mba tadidio re fa tanimanga no nanaovanao ahy\u00a0e, Nefa averinao ho vovoka indray aho izao.",
        "10": "Tsy nararakao toy ny ronono ve aho, Ary nataonao mandry toy ny fromazy?",
        "11": "Hoditra sy nofo no nampitafianao ahy, Ary taolana sy hozatra no nandrarianao ahy.",
        "12": "Nomenao aina aho, ary tia ahy sy tsy nivadika tamiko ianao. Niaro ny aiko ny fikarakaranao ahy.",
        "13": "Nitady hanao an\u2019ireto zavatra ireto mangingina anefa ianao, Ary fantatro fa avy aminao ireto:",
        "14": "Raha nanota aho dia ho narahinao maso, Ary tsy ho navelanao ny fahadisoako.",
        "15": "Raha meloka aho, dia loza ny manjo ahy! Ary na tsy manan-tsiny aza aho, dia tsy ho afaka hitraka, Satria afa-baraka tanteraka sady vontom-pahoriana.",
        "16": "Raha mitraka aho, dia hihaza ahy toy ny liona ianao, Ary hasehonao indray ny herinao mba hamelezana ahy.",
        "17": "Mitondra vavolombelona hafa hiampanga ahy ianao Sady vao mainka tezitra amiko, Amin\u2019izao fahoriana misesisesy manjo ahy izao.",
        "18": "Koa nahoana aho no navoakanao avy tao an-kibo? Tahaka izay aho maty dia tsy nisy maso nahita ahy.",
        "19": "Dia mba toy ny hoe tsy nisy mihitsy aho; Ho nalaina avy tao an-kibo aho, ka tonga dia nalefa tany am-pasana.\u2019",
        "20": "Tsy efa vitsy ve ny androko? Aoka izy tsy hanelingelina ahy; Enga anie tsy hibanjina ahy intsony ny masony, dia mba ho maivamaivana aho,",
        "21": "Alohan\u2019ny handehanako any amin\u2019ny toerana izay tsy hiverenako intsony, Dia any amin\u2019ny tany anjakan\u2019ny haizim-pito,",
        "22": "Any amin\u2019ny tany misy haizina mikitroka, Dia tanin\u2019ny haizim-pito sy korontana, Ka na ny hazavana any aza toy ny haizim-pito.\u201d"
    },
    "11": {
        "1": "Namaly i Zofara Namatita hoe:",
        "2": "\u201cTsy hovaliana ve izany teny rehetra izany, Ary hanana ny rariny ve ny olona be resaka be?",
        "3": "Hampangina ny olona ve ny rediredinao? Tsy hisy hananatra anao ve noho ny teny maneso nolazainao?",
        "4": "Milaza mantsy ianao hoe: \u2018Tsy misy tsininy ny fampianarako, Ary madio eo imasonao aho.\u2019",
        "5": "Raha mba miteny anefa Andriamanitra, Ka manokatra ny vavany hamaly anao,",
        "6": "Dia hampahafantariny anao ny tsiambaratelon\u2019ny fahendrena, Satria be dia be no azo ianarana momba ny tena fahendrena! Dia ho azonao fa tsy tian\u2019Andriamanitra hotadidina ny fahadisoanao sasany.",
        "7": "Ho vitanao ve ny hamantatra ny zava-dalin\u2019Andriamanitra, Na ny hamantatra ny zava-drehetra momba an\u2019ilay Mahery Indrindra?",
        "8": "Avo noho ny lanitra izany, ka hahavita inona ianao? Lalina noho ny Fasana izany, ka inona no ho fantatrao?",
        "9": "Lehibe noho ny tany izany, Ary midadasika noho ny ranomasina.",
        "10": "Raha mandalo izy ka misambotra olona, ary mitondra azy any amin\u2019ny fitsarana, Dia iza no hahatohitra azy?",
        "11": "Fa fantany ny olona mpamitaka. Dia tsy hiraharaha ve izy rehefa mahita zava-dratsy?",
        "12": "Fa hahataka-javatra ny olona tsy misy saina, Raha afaka miteraka olombelona ny ampondradia.",
        "13": "Raha mba nanomana ny fonao mantsy ianao, Ary nanandratra ny tananao hivavaka aminy.",
        "14": "Raha misy ratsy nataon\u2019ny tananao, dia ario lavitra izany, Ary aza avela hisy tsy fahamarinana hipetraka ao amin\u2019ny tranolainao.",
        "15": "Dia ho afaka hitraka ianao satria tsy misy tsiny; Ho afaka hijoro tsara ianao sady tsy hatahotra.",
        "16": "Dia ho hadinonao ny fahorianao; Tsy hotsaroanao izany fa handalo toy ny rano mikoriana.",
        "17": "Hamiratra kokoa noho ny mitataovovonana ny fiainanao; Na ny haizina eo aminy aza ho toy ny maraina.",
        "18": "Dia ho feno toky ianao satria misy antenaina, Ary hijery ny manodidina ianao ka hatory tsy manana ahiahy.",
        "19": "Hatory ianao ka tsy hisy hampatahotra anao, Ary maro ny olona hila sitraka aminao.",
        "20": "Tsy hahita tsara kosa ny mason\u2019ny ratsy fanahy; Tsy hahita toerana handosirana izy ireo, Ary ny fahafatesana sisa no azony antenaina.\u201d"
    },
    "12": {
        "1": "Dia namaly i Joba hoe:",
        "2": "\u201cIanareo tokoa izany no tena manam-pahaizana, Ka hiara-maty aminareo ny fahendrena!",
        "3": "Fa izaho koa ange mba mahira-tsaina e! Tsy ambany noho ianareo aho. Iza no tsy mahalala an\u2019izany zavatra izany?",
        "4": "Lasa ataon\u2019ny namako fihomehezana aho, Dia izaho izay miantso an\u2019Andriamanitra mba hamaly ahy. Atao ho fihomehezana ny olona marina sy tsy misy tsiny.",
        "5": "Ihomehezan\u2019ny olona miadana ny loza, Satria mihevitra izy fa ireo mangozohozo ihany no tratran\u2019izany.",
        "6": "Miadana ao amin\u2019ny tranolainy ny mpandroba, Ary tsy manana ahiahy ireo mampahatezitra an\u2019Andriamanitra, Dia ireo mitondra ny andriamaniny eny an-tanany.",
        "7": "Mba anontanio anefa ny biby, dia hampianatra anao izy, Ary ny voro-manidina, dia hilaza aminao izy.",
        "8": "Na diniho ny tany, dia hampianatra anao izy. Ary hilaza an\u2019izany aminao ny trondro any an-dranomasina.",
        "9": "Iza amin\u2019izy rehetra ireny moa no tsy mahalala Fa ny tanan\u2019i Jehovah no nanao an\u2019izany?",
        "10": "Eo an-tanany ny ain\u2019ny zavamananaina rehetra, Sy ny fofonain\u2019ny olombelona rehetra.",
        "11": "Tsy ny sofina ve no mamantatra teny, Toy ny lela mamantatra tsiron-kanina?",
        "12": "Tsy eo amin\u2019ny zokiolona ve no ahitana fahendrena, Ary tsy izay efa ela niainana ve no mahira-tsaina?",
        "13": "Ao amin\u2019Andriamanitra no misy fahendrena sy hery; Manan-kevitra sy mahira-tsaina izy.",
        "14": "Tsy azo aorina intsony izay noravany; Tsy misy mahasokatra an\u2019izay nohidiany.",
        "15": "Maina ny zava-drehetra rehefa sakanany ny rano; Tondraka ny tany rehefa alefany izany.",
        "16": "Ao aminy no misy ny tanjaka sy ny tena fahendrena; Azy ny olona diso lalana sy ny olona mitarika ny hafa any amin\u2019ny lalan-diso;",
        "17": "Ataony mandeha tsy manao kapa ny mpanolo-tsaina, Ary ataony lasa adala ny mpitsara.",
        "18": "Vahany ny fatorana ataon\u2019ireo mpanjaka, Ary gejainy amin\u2019ny fehikibo ny andilan\u2019izy ireo.",
        "19": "Ataony mandeha tsy manao kapa ny mpisorona, Ary aongany ireo manam-pahefana tsara toerana.",
        "20": "Ataony tsy mahita holazaina ny mpanolo-tsaina atokisana, Ary esoriny ny fahendren\u2019ny zokiolona.",
        "21": "Ataony tototry ny fahafaham-baraka ny olona ambony, Ary ataony malemy ny mahery.",
        "22": "Aharihariny avy ao amin\u2019ny haizina ny zava-dalina, Ary avoakany ho eo amin\u2019ny mazava ny haizim-pito.",
        "23": "Ataony mihamahery ireo firenena mba handringanana azy; Halehibeaziny ireo firenena mba hitondrany azy any an-tsesitany.",
        "24": "Ataony tsy mahira-tsaina intsony ireo mpitarika ny vahoaka, Ary ataony mirenireny any amin\u2019ny tany ngazana tsy misy lalana.",
        "25": "Mitsapatsapa ao anaty haizina tsy misy hazavana izy ireo, Ary ataony mirenireny hoatran\u2019ny olona mamo."
    },
    "13": {
        "1": "\u201cEfa hitan\u2019ny masoko tokoa izany rehetra izany, Ary efa henon\u2019ny sofiko ka azony.",
        "2": "Izay fantatrareo dia fantatro koa; Tsy ambany noho ianareo aho.",
        "3": "Fa raha izaho, dia aleoko miresaka amin\u2019ilay Mahery Indrindra; Te hitondra ny adiko eo anatrehan\u2019Andriamanitra aho.",
        "4": "Ianareo kosa manoso-potaka ahy. Dokotera tsy misy ilana azy daholo ianareo.",
        "5": "Raha mba mangina tsy miteny mihitsy ianareo, Dia ho hita hoe mba hendry ihany.",
        "6": "Henoy, azafady, ny hevitro, Ary henoy tsara ny fiarovan-tena lazain\u2019ny vavako.",
        "7": "Hilaza zavatra tsy ara-drariny ve ianareo mba hanohanana an\u2019Andriamanitra, Ary hilaza fitaka mba hiarovana azy?",
        "8": "Hiandany aminy ve ianareo? Hiezaka hiady ho an\u2019ilay tena Andriamanitra eny amin\u2019ny fitsarana ve ianareo?",
        "9": "Ho faly aminareo ve izy raha mandinika anareo? Ho voafitakareo toy ny ataonareo amin\u2019ny olombelona mety maty ve izy?",
        "10": "Hananatra anareo tokoa\u00a0izy Raha mitady hiangatra mangingina ianareo.",
        "11": "Tsy hampihorohoro anareo ve ny fahalehibeazany, Ary tsy hatahotra azy ve ianareo?",
        "12": "Ny tenim-pahendrena lazainareo, dia ohabolana tsy misy ilana azy toy ny lavenona. Ny fiarovan-tenanareo dia malemy hoatran\u2019ny manda tanimanga.",
        "13": "Mang\u00ecna fa hiteny aho, Dia avelao hanjo ahy izay hanjo ahy!",
        "14": "Nahoana aho no hisangy loza Ka hanao vivery ny aiko?",
        "15": "Na dia hovonoiny aza aho dia mbola hiandry azy ihany; Hitondra ny adiko eo anatrehany aho.",
        "16": "Dia ho lasa mpamonjy ahy izy, Satria tsy misy olona tsy matahotra azy ho afaka hiseho eo anatrehany.",
        "17": "Henoy tsara ny teniko; Henoy izay lazaiko.",
        "18": "Efa nomaniko tsara ny adiko eny amin\u2019ny fitsarana; Fantatro fa manana ny rariny aho.",
        "19": "Iza no hifandahatra amiko? Fa raha mangina aho, dia ho faty!",
        "20": "Zavatra roa ihany no ataovy amiko, Andriamanitra\u00a0\u00f4, Amin\u2019izay dia tsy hiafina anao aho:",
        "21": "Esory amiko ny tananao ka ataovy lavitra ahy, Ary aza atao matahotra loatra anao aho.",
        "22": "Antsoy aho dia hamaly, Na avelao aho hiteny, dia ianao no hamaly ahy.",
        "23": "Fa inona moa no fahadisoako sy fahotako? Ampahafantaro ahy ny lal\u00e0na nodikaiko sy ny fahotana vitako.",
        "24": "Nahoana ianao no manafina ny tarehinao, Ka mihevitra ahy ho fahavalonao?",
        "25": "Ravinkazo efa entin-drivotra ve dia mbola tadiavinao hampitahorina ihany? Ary mololo efa maina ve dia mbola henjehinao?",
        "26": "Fa manoratra zavatra hiampangana ahy foana ianao, sady mangidy amiko ireny fiampangana ireny, Ary sazinao aho noho ny fahotana vitako tamin\u2019izaho mbola tanora.",
        "27": "Gejainao amin\u2019ny gadra hazo ny tongotro, Arahinao maso ny diako rehetra, Ary marihinao ny dian-tongotro tsirairay.",
        "28": "Koa mihalevona toy ny zavatra lo ny olona, Mihalevona toy ny akanjo lanin\u2019ny bibikely."
    },
    "14": {
        "1": "\u201cNy olona atera-behivavy Dia fohy andro iainana sady tototry ny olana.",
        "2": "Mamelana toy ny voninkazo izy, dia malazo avy eo; Mandositra toy ny aloka izy, ka manjavona.",
        "3": "Mibanjina azy ianao, Ary entinao eny amin\u2019ny fitsarana izy mba hifandahatra aminao.",
        "4": "Aiza no misy olona madio ateraky ny olona tsy madio? Tsy misy na iray aza!",
        "5": "Raha voafetra ny androm-piainany, Dia eo am-pelatananao ny isan\u2019ny volana iainany. Efa nanisy fetra tsy azony ihoarana ianao.",
        "6": "Aza dinihina be intsony izy mba hahazo aina, Mandra-pahavitan\u2019ny andro iasany, toy ny ataon\u2019ny mpikarama.",
        "7": "Fa mbola misy ny fanantenana, na ho an\u2019ny hazo aza. Raha tapahina izy, dia mbola hitsimoka indray, Ary mbola haniry ny rantsany.",
        "8": "Raha antitra any ambanin\u2019ny tany ny fakany, Ary maty ao anaty tany ny fotony,",
        "9": "Dia hitsimoka izy rehefa maheno fofon-drano; Ary hamoaka rantsana toy ny zavamaniry vao mitsiry izy.",
        "10": "Maty kosa anefa ny olona, ary mitsotra tsy mahavita na inona na inona. Mankaiza ny olombelona rehefa miala aina?",
        "11": "Manjavona miala amin\u2019ny ranomasina ny rano, Ary ritra ny renirano ka maina.",
        "12": "Matory koa ny olombelona ary tsy hifoha. Tsy ho taitra izy mandra-pahafoanan\u2019ny lanitra, Ary tsy hofohazina amin\u2019ny torimasony.",
        "13": "Raha mba manafina ahy any amin\u2019ny Fasana mantsy ianao, Ka manafina ahy mandra-pitonin\u2019ny fahatezeranao! Ary raha mba misy fotoana mantsy efa noferanao ho ahy, mba hahatsiarovanao ahy!",
        "14": "Raha maty ny olona, dia ho velona indray ve? Hiandry aho mandritra ny andro rehetra hanaovako asa an-terivozona, Mandra-pahatongan\u2019ny fanafahana ahy.",
        "15": "Hiantso ianao, dia hamaly anao aho. Tsy ho andrinao ny hahita ny asan\u2019ny tananao.",
        "16": "Fa amin\u2019izao aloha, dia tsy mitsahatra manisa ny diako tsirairay ianao; Tsy mandinika afa-tsy ny fahotako ianao.",
        "17": "Ao anaty kitapo nasiana tombo-kase ny fandikan-dal\u00e0na nataoko, Ary hidianao amin\u2019ny lakaoly ny fahadisoako.",
        "18": "Toy ny tendrombohitra mianjera ka potipotika, Sy toy ny vatolampy esorina amin\u2019ny toerany,",
        "19": "Toy ny rano mikiky vato, Sy toy ny riaka mikaoka ny nofon-tany, No andravanao ny fanantenan\u2019ny olombelona mety maty.",
        "20": "Resinao foana izy mandra-pahafatiny; Ovanao ny endriny dia alefanao izy.",
        "21": "Omem-boninahitra ny zanany, nefa tsy fantany; Lasa tsinontsinona ireny, nefa tsy hitany.",
        "22": "Amin\u2019izy mbola nofo ihany izy no mahatsiaro manaintaina; Amin\u2019izy mbola velona ihany izy no misaona.\u201d"
    },
    "15": {
        "1": "Namaly i Elifaza Temanita hoe:",
        "2": "\u201cHevitra poakaty ve no havalin\u2019ny olon-kendry? Sa hofenoiny eritreri-dratsy ny fony?",
        "3": "Very maina raha teny fotsiny no hanitsiana, Ary tsy mahasoa raha kabary fotsiny.",
        "4": "Fa ataonao tsinontsinona ny tahotra an\u2019Andriamanitra, Ary hamaivaninao ny fisaintsainana momba azy.",
        "5": "Ny fahadisoanao no mahatonga anao hiteny hoatr\u2019izany, Ary tia mametsifetsy ianao rehefa miresaka.",
        "6": "Ny vavanao ihany no manameloka anao, fa tsy izaho; Ny molotrao ihany no miampanga anao.",
        "7": "Ianao angaha no olombelona teraka voalohany, Sa ianao nateraka talohan\u2019ny havoana?",
        "8": "Angaha ianao maheno ny resaka tsiambaratelo ataon\u2019Andriamanitra? Sa ianao irery no manam-pahendrena?",
        "9": "Fa inona moa no fantatrao ka tsy mba fantatray? Ary inona no hevitra takatrao ka tsy mba takatray?",
        "10": "Samy misy eto aminay na ny fotsy\u00a0volo na ny be taona, Dia lehilahy efa ela\u00a0niainana kokoa noho ny rainao.",
        "11": "Tsy ampy anao ve ny fampiononan\u2019Andriamanitra, Na ny teny nolazaina taminao tamim-pahalemem-panahy?",
        "12": "Nahoana ianao no entim-po? Ary nahoana ianao no tezitra be mijery anay?",
        "13": "Fa lasa tezitra amin\u2019Andriamanitra ianao, Ka sahin\u2019ny vavanao ny mamoaka teny hoatr\u2019izany.",
        "14": "Inona moa izay olombelona mety maty no hadio, Na izay atera-behivavy no ho marina?",
        "15": "Jereo fa na ny anjeliny aza tsy atokisany, Ary na ny lanitra aza tsy madio eo imasony.",
        "16": "Koa mainka fa izay olona maharikoriko sy manao ny tsy marina, Dia olona misotro ny tsy fahamarinana toy ny fisotro rano!",
        "17": "Misy zavatra hampahafantariko anao, ka henoy aho! Hotantaraiko anao izay hitako,",
        "18": "Dia izay zavatra henon\u2019ny olon-kendry avy tamin\u2019ny razambeny ka notantarainy, Fa tsy nafeniny.",
        "19": "Izy ireo ihany no nomena an\u2019ilay tany, Ary tsy nisy olona avy any an-tany hafa nandalo teo aminy.",
        "20": "Mijalijaly ny ratsy fanahy mandritra ny androm-piainany, Mandritra ny taona rehetra atokana ho an\u2019ny olona mpanjakazaka.",
        "21": "Tsy afaka ao an-tsofiny ny feo mampahatahotra; Misy mpandroba manafika izy, na dia milamina aza ny tany.",
        "22": "Tsy manantena ny ho tafavoaka avy ao anaty haizina izy; Voatokana hovonoina amin\u2019ny sabatra izy.",
        "23": "Mirenireny mitady sakafo izy, ka miteny hoe: \u201cAiza re no misy\u00a0e?\u201d Fantany tsara fa efa akaiky ny andro isian\u2019ny haizina.",
        "24": "Mampihorohoro azy foana ny fahoriana sy ny tebiteby; Tonga hamely azy toy ny mpanjaka vonona hanafika izany.",
        "25": "Manatsotra ny tanany hanohitra an\u2019Andriamanitra mantsy izy, Sady mila ady amin\u2019ilay Mahery Indrindra;",
        "26": "Mikiry mihazakazaka manafika Azy izy, Miaraka amin\u2019ny ampingany matevina sy mafy;",
        "27": "Matavitavy ny tarehiny, Ary mivalombalona noho ny tavy ny andilany;",
        "28": "Mipetraka ao amin\u2019ny tan\u00e0na izay horavana izy, Ao amin\u2019ny trano tsy hipetrahan\u2019olona intsony, Izay ho lasa vato be dia be miavosa.",
        "29": "Tsy ho lasa mpanankarena izy, sady tsy hitombo ny harenany, Ary tsy hiparitaka manerana an\u2019ilay tany ny fananany.",
        "30": "Tsy ho afa-mandositra avy ao amin\u2019ny haizina izy; Ho toy ny rantsankazo mainan\u2019ny afo izy, Ary ho levon\u2019ny fofonain\u2019Andriamanitra.",
        "31": "Tsy tokony hamita-tena izy ka hitoky amin\u2019ny zavatra tsy misy dikany, Fa zavatra tsy misy dikany ihany no ho azony ho takalon\u2019izany;",
        "32": "Mbola tsy tonga ny androny, dia efa hitranga izany, Ary tsy handrobona mihitsy ny sampany.",
        "33": "Ho toy ny voaloboka manintsana an\u2019ireo voany manta izy, Ary ho tahaka ny hazo oliva mamela ny felany hiraraka.",
        "34": "Fa tsy mamokatra na inona na inona ny antokon\u2019olona tsy matahotra an\u2019Andriamanitra, Ary ho levon\u2019ny afo ny tranolain\u2019ny mpanao kolikoly.",
        "35": "Teti-dratsy no miforona ao an-kibony, ka zava-dratsy no aterany, Ary fitaka no vokarin\u2019ny kibony.\u201d"
    },
    "16": {
        "1": "Dia namaly i Joba hoe:",
        "2": "\u201cEfa nandre zavatra be dia be hoatr\u2019izany aho. Mpampionona mandreraka daholo ianareo!",
        "3": "Hisy farany ve izany resa-be izany? Fa inona no mahatonga anao hamaly hoatr\u2019izany?",
        "4": "Izaho koa mba mahay miteny hoatr\u2019anareo. Raha ianareo no teo amin\u2019ny toerako, Dia ho afaka nanao teny tsara lahatra hamelezana anareo aho, Sady ho nihivingivin-doha naneso anareo.",
        "5": "Aleoko anefa milaza teny mankahery anareo, Ary hanamaivana anareo ny fampiononana lazain\u2019ny vavako.",
        "6": "Raha miteny aho, dia tsy manamaivana ny fahoriako izany. Ary raha mangina aho, dia hampihena ny fanaintainako ve izany?",
        "7": "Reraka anefa aho izao noho ny ataon\u2019Andriamanitra; Naripany daholo ny ankohonako.",
        "8": "Mihazona ahy koa ianao, ary lasa hitan\u2019ny olona izany, Ka mihamahia aho ary miampanga ahy izany.",
        "9": "Mamiravira ahy ny hatezerany, ary mankahala ahy izy. Mihidy vazana izy mijery ahy. Masiaka amiko ny mason\u2019ny fahavaloko.",
        "10": "Nitanatana vava handrapaka ahy ny olona, Ary nandatsa ahy ka namely tehamaina ahy; Anaovan\u2019izy ireo tambabe aho.",
        "11": "Atolotr\u2019Andriamanitra eo an-tanan\u2019ireo tovolahy aho, Ary atosiny mafy eo an-tanan\u2019ny ratsy fanahy.",
        "12": "Nilamina ny fiainako, nefa nopotehiny. Noraisiny tamin\u2019ny hatoko aho dia natontany ka torotoro, Ary nokendreny tamin\u2019ny zana-tsip\u00eckany.",
        "13": "Manodidina ahy ny mpandefa zana-tsip\u00eckany. Trobarany tsy ananany antra ny voako; Ararany amin\u2019ny tany ny aferoko.",
        "14": "Gorobahany tsy an-kijanona hoatran\u2019ny manda aho; Miantoraka hamely ahy toy ny miaramila izy.",
        "15": "Nanjaitra akanjo gony aho mba hanaronana ny hoditro, Ary naleviko tao anaty vovoka ny voninahitro.",
        "16": "Boramena aho satria mitomany foana, Ary mivalomainty ny hodi-masoko,",
        "17": "Nefa izaho tsy mba nanisy ratsy olona mihitsy, Ary madio ny vavaka ataoko.",
        "18": "Ry tany\u00a0\u00f4, aza totofana ny rako! Ary aoka ny fitarainako tsy hanana toerana ialana sasatra!",
        "19": "Na izao aza, dia misy vavolombeloko any an-danitra; Any amin\u2019ny avo ilay vavolombelona afaka miaro ahy.",
        "20": "Maneso ahy ny namako, Fa izaho kosa latsa-dranomaso eo anatrehan\u2019Andriamanitra.",
        "21": "Aoka hisy mpanelanelana eo amin\u2019ny olona sy Andriamanitra, Hoatran\u2019ny mpanelanelana eo amin\u2019ny olona iray sy ny namany.",
        "22": "Fa taona vitsivitsy sisa, Dia handeha amin\u2019ny lalana tsy hiverenako intsony aho."
    },
    "17": {
        "1": "\u201cLany ny heriko, ary tapitra ny androko. Ny fasana no miandry ahy.",
        "2": "Voahodidina mpaneso aho, Ary voatery mifantoka amin\u2019ny fikomian\u2019izy ireo ny masoko.",
        "3": "Mba ekeo re ny antoka omeko anao\u00a0e, ka tehirizo any aminao izany! Fa iza indray moa no hifandray tanana amiko ka hanaiky hiantoka ahy?",
        "4": "Fa nafeninao tsy ho ao am-pon\u2019izy ireo ny fahiratan-tsaina; Izany no antony tsy anandratanao azy.",
        "5": "Misy olona mizara an\u2019izay ananany amin\u2019ny namany, Nefa ny zanany aza lali-maso noho ny hanoanana.",
        "6": "Navelan\u2019Andriamanitra hesoesoin\u2019ny olona aho, Ka roran\u2019izy ireo ny tarehiko.",
        "7": "Mihamanjavozavo ny masoko noho ny fahoriana, Ary toy ny aloka sisa ny rantsambatako rehetra.",
        "8": "Midan\u00e0ka ny olo-marina mahita an\u2019izany, Ary mikorontan-tsaina ny tsy manan-tsiny noho ny ataon\u2019ny olona tsy matahotra an\u2019Andriamanitra.",
        "9": "Mifikitra amin\u2019ny lalany ny olo-marina, Ary mihamatanjaka ny madio tanana.",
        "10": "Andao \u00e0ry tohizo indray ny adihevitrareo, Fa tsy hitako izay hendry aminareo.",
        "11": "Tapitra ny androko; Rava hatreo ny fikasako, ny fanirian\u2019ny foko.",
        "12": "Ny alina no lazain\u2019izy ireo fa andro, Ka hoy izy ireo: \u2018Akaiky ny mazava satria efa maizina izao.\u2019",
        "13": "Raha mbola miandry aho, dia ny Fasana no ho tranoko, Ary hamelatra ny fandrianako ao amin\u2019ny haizina aho.",
        "14": "Ny lavaka no hantsoantsoiko hoe: \u2018Ianao no raiko!\u2019 Ary ny olitra hoe: \u2018Ianao no reniko sy anabaviko!\u2019",
        "15": "Koa aiza \u00e0ry ny fanantenako? Iza no mahita hoe mbola misy azoko antenaina?",
        "16": "Hidina any amin\u2019ny vavahadin\u2019ny Fasana, izay misy bara hidiny, izany Rehefa hiara-midina any amin\u2019ny vovoka izahay rehetra.\u201d"
    },
    "18": {
        "1": "Dia namaly i Bildada Sohita hoe:",
        "2": "\u201cRahoviana ianareo vao tsy hiteny zavatra hoatr\u2019izany intsony? Mba mahaiza aloha mandinika vao miresaka isika.",
        "3": "Nahoana izahay no heverinareo ho toy ny biby, Sy eritreretinareo hoe tsisy saina?",
        "4": "Na dia mamiravira ny tenanao aza ianao satria tezitra, Dia tsy hisy mponina ve ny tany noho ny aminao, Na hiala amin\u2019ny toerany ve ny vatolampy?",
        "5": "Ho faty tokoa ny jiron\u2019ny ratsy fanahy, Ary tsy hazava ny lelafony.",
        "6": "Tena hihamaizina ny hazavana ao amin\u2019ny tranolainy, Ary ho faty ny jiro eo amboniny.",
        "7": "Mihafohy ny dingan-dava ataony, Ary ny heviny ihany no hahasolafaka azy.",
        "8": "Fa hitarika azy ho ao anaty harato ny tongony, Ary ho voasaringotr\u2019ireo makarakara amin\u2019ilay harato izy.",
        "9": "Hosamborin\u2019ny fandrika ny voditongony; Ho azon\u2019ny vela-pandrika izy.",
        "10": "Misy tady afenina eo amin\u2019ny tany mba hamatotra azy, Ary misy fandrika mivelatra eo amin\u2019ny lalany.",
        "11": "Manodidina azy ny horohoro ka mampitahotra azy. Enjehin\u2019izany izy sady arahiny akaiky.",
        "12": "Mihena ny heriny, Ka hampivembena azy ny loza.",
        "13": "Mihal\u00f2 ny hodiny; Lanin\u2019ny aretina tena faran\u2019izay mahafaty ny rantsambatany.",
        "14": "Nilamina er\u1ef3 izy tao amin\u2019ny tranolainy nefa esorina ao, Ary entina mankany amin\u2019ny mpanjakan\u2019ny horohoro.",
        "15": "Vahiny no hipetraka ao amin\u2019ny tranolainy; Hofafazana solifara ny fonenany.",
        "16": "Ho maina ny fakany ao ambaniny, Ary halazo ny sampany eny amboniny.",
        "17": "Tsy hotsaroana et\u1ef3 an-tany intsony ny momba azy, Ary tsy hisy hahalala ny anarany intsony eny an-dalana.",
        "18": "Hesorina hiala amin\u2019ny mazava izy mba ho any amin\u2019ny maizina, Ary horoahina hiala eo amin\u2019ny tany lonaka.",
        "19": "Tsy hanan-janaka na taranaka eo amin\u2019ny fireneny izy, Ary tsy hisy olona hiangana any amin\u2019ny toerana ipetrahany.",
        "20": "Rehefa tonga ny androny, dia hivarahontsana ny any Andrefana, Ary hihorohoro ny any Atsinanana.",
        "21": "Izany no mitranga amin\u2019ny tranolain\u2019ny mpanao ratsy, Sy amin\u2019ny toerana misy an\u2019izay tsy mahalala an\u2019Andriamanitra.\u201d"
    },
    "19": {
        "1": "Namaly i Joba hoe:",
        "2": "\u201cMandra-pahoviana ianareo no hanorisory ahy, Sy handevilevy ahy amin\u2019ny teninareo?",
        "3": "Efa impolo kely ianareo no niteny mafy ahy. Tsy menatra akory ianareo mampijaly ahy.",
        "4": "Ary na dia tena nanao fahadisoana aza aho, Dia ahy ihany izany!",
        "5": "Raha mbola mihevi-tena ho ambony noho izaho foana ianareo, Ka milaza fa rariny raha alaina baraka aho,",
        "6": "Dia fantaro fa Andriamanitra no namitaka ahy, Ary tratran\u2019ny harato famandrihany aho.",
        "7": "Miantsoantso aho hoe: \u2018Loza!\u2019, nefa tsy misy mamaly; Miantso vonjy aho, nefa tsy mahazo rariny.",
        "8": "Nosakanany tamin\u2019ny rindrim-bato ny lalako, ka tsy afa-mandroso aho; Norakofany haizina izay alehako.",
        "9": "Nalany tamiko ny voninahitro, Ary nesoriny ny satroboninahitra teny an-dohako.",
        "10": "Potipotehiny tanteraka ny fiainako mandra-pahafatiko; Ongotany toy ny hazo ny fanantenako.",
        "11": "Tezitra be amiko izy, Ary mihevitra ahy ho fahavalony.",
        "12": "Mirohotra manao fahirano ahy ny miaramilany, Ka mitoby manodidina ny tranolaiko.",
        "13": "Nataony lavitra ahy ny rahalahiko, Ary mihatakataka amiko ireo mahafantatra ahy.",
        "14": "Nandao ahy ny namako akaiky, Ary nanadino ahy ny olona fantatro tsara.",
        "15": "Ataon\u2019ireo vahiny ao an-tranoko sy ny mpanompovaviko hoatran\u2019ny olona tsy fantany aho; Toy ireny vahiny ireny aho amin\u2019izy ireo.",
        "16": "Antsoiko ny mpanompoko, nefa tsy mamaly; Ny vavako mihitsy no miangavy azy mba hangoraka ahy.",
        "17": "Lasa rikoriko amin\u2019ny fofonaiko ny vadiko, Ary maimbo aho eo amin\u2019ny rahalahiko.",
        "18": "Na ny ankizikely aza manao tsinontsinona ahy; Maniratsira ahy izy ireo rehefa mitsangana aho.",
        "19": "Mankahala ahy daholo ny namako akaiky, Ary nivadika tamiko ireo notiaviko.",
        "20": "Taolana mifono hoditra aho, Ary ny hoditry ny nifiko sisa no entiko mandositra.",
        "21": "Mba iantrao aho, ry namako! Iantrao aho! Fa efa namely ahy ny tanan\u2019Andriamanitra.",
        "22": "Nahoana ianareo no manenjika ahy foana toy ny ataon\u2019Andriamanitra, Ka mamely ahy tsy an-kijanona?",
        "23": "Raha mba voasoratra mantsy ny teniko, Raha mba azo\u00a0raketina ao\u00a0anaty boky mantsy izany!",
        "24": "Enga anie izany ka ho voasokitra mandrakizay eo amin\u2019ny vatolampy Amin\u2019ny penina\u00a0vy sy amin\u2019ny firamainty araraka!",
        "25": "Fa fantatro tsara fa velona ny mpanavotra ahy; Mbola ho avy izy ka hitsangana eo amin\u2019ny tany.",
        "26": "Rehefa avy nopotehina toy izao ny hoditro, Nefa mbola eo amiko ihany ny nofoko, dia hahita an\u2019Andriamanitra aho.",
        "27": "Izaho mihitsy no hahita azy, Eny, ny masoko fa tsy mason\u2019olon-kafa. Trotraka tanteraka anefa ny ato anatiko!",
        "28": "Fa hoy ianareo: \u2018Inona no ataonay no lazaina fa manenjika azy izahay?\u2019 Izaho mantsy no hoatran\u2019ny hoe fototry ny olana.",
        "29": "Mba atahory ny sabatra, Fa manasazy an\u2019izay manao fahadisoana ny sabatra; Tokony ho fantatrareo fa misy ny mpitsara.\u201d"
    },
    "20": {
        "1": "Dia namaly i Zofara Namatita hoe:",
        "2": "\u201cNy adin-tsaina no mahatonga ahy hamaly Satria mitebiteby aho.",
        "3": "Manafintohina ahy ny anatra reko; Ary voatery hamaly aho satria mahira-tsaina.",
        "4": "Efa fantatrao tsara izao hatramin\u2019izay, Fa efa hoatr\u2019izany foana hatramin\u2019ny nisian\u2019ny olona teto an-tany,",
        "5": "Hoe vetivety fotsiny ny fihobian\u2019ny mpanao ratsy, Ary mihelina ihany ny fifalian\u2019ny olona tsy matahotra an\u2019Andriamanitra.",
        "6": "Na manakatra ny lanitra aza ny fahalehibeazany, Ary mipaka amin\u2019ny rahona ny lohany,",
        "7": "Dia ho levona mandrakizay toy ny malotony izy; Ireo zatra nahita azy dia hiteny hoe: \u2018Fa aiza izy?\u2019",
        "8": "Hanjavona toy ny nofy izy, ka tsy ho hitan\u2019izy ireo; Horoahina toy ny fahitana amin\u2019ny alina izy.",
        "9": "Tsy hahita azy intsony ny maso efa nahita azy, Ary tsy ho hita ao amin\u2019ny toerana nisy azy intsony izy.",
        "10": "Hila sitraka amin\u2019ny mahantra ny zanany, Ary hamerina ny harena nalainy izy.",
        "11": "Feno herin\u2019ny fahatanorana ny taolany, Nefa hiara-mandry aminy eo amin\u2019ny vovoka izany.",
        "12": "Raha mamy ao am-bavany ny zava-dratsy, Ka afeniny ao ambany lelany,",
        "13": "Ary raha ankafiziny izany ka tsy foiny, Fa tehiriziny ao am-bavany,",
        "14": "Dia ho lasa marikivy ao anatiny ny sakafony; Hanjary ho toy ny poizin\u2019ny k\u00f4br\u00e0 ao anatiny izany.",
        "15": "Nitelina harena izy, nefa haloany indray izany. Holoaran\u2019Andriamanitra avy ao an-kibony izany.",
        "16": "Hitsentsitra ny poizin\u2019ny k\u00f4br\u00e0 izy; Hahafaty azy ny vangin\u2019ny bibilava misy poizina.",
        "17": "Tsy ho hitany intsony ny renirano mikoriana, Dia ny tantely sy ny dibera mikoriana\u00a0be.",
        "18": "Haveriny ny fananana azony, nefa tsy mba nandray soa tamin\u2019izany akory izy; Tsy hankafy ny harena azony tamin\u2019ny varotra izy.",
        "19": "Nampahory sy nandao an\u2019ireo mahantra izy; Nalainy an-keriny ny trano izay tsy naoriny.",
        "20": "Tsy hilamin-tsaina mihitsy anefa izy; Tsy hahavonjy azy ny harenany.",
        "21": "Tsy misy na inona na inona azony arapaka intsony; Koa tsy haharitra ny fiadanany.",
        "22": "Hitebiteby be izy rehefa lasa mpanankarem-be; Hiharam-pahavoazana faran\u2019izay mafy izy.",
        "23": "Amin\u2019izy mameno ny kibony iny mihitsy, No hampihatra ny fahatezerany aminy Andriamanitra. Hirotsaka eo aminy toy ny orana izany, ka ho tonga hatrany amin\u2019ny tsinainy.",
        "24": "Mandositra fitaovam-piadiana vita amin\u2019ny vy izy, Kanjo hotrobaran\u2019ny zana-tsip\u00ecka avy amin\u2019ny tsip\u00ecka varahina.",
        "25": "Sintoniny ny zana-tsip\u00ecka nitsatoka tao an-damosiny, Dia ny fitaovam-piadiana manjelatra nitsatoka teo amin\u2019ny aferony, Ka mihorohoro izy.",
        "26": "Haizina mikitroka no miandry ny zava-tsarobidiny; Afo tsy nisy nikopaka no handevona azy; Loza no hanjo an\u2019izay sisa tsy maty ao amin\u2019ny tranolainy.",
        "27": "Hampiharihary ny fahadisoany ny lanitra; Hanohitra azy ny tany.",
        "28": "Ho lasan\u2019ny tondra-drano ny tranony; Ho riaka be izany amin\u2019ny andro fahatezeran\u2019Andriamanitra.",
        "29": "Izany no anjara omen\u2019Andriamanitra ny ratsy fanahy, Dia ny lovany avy amin\u2019Andriamanitra, araka ny didy navoakany.\u201d"
    },
    "21": {
        "1": "Dia namaly i Joba hoe:",
        "2": "\u201cHenoy tsara izay lazaiko, Fa izany no fampiononana azonareo omena ahy.",
        "3": "Mba mahareta hihaino ahy, fa hiteny aho; Rehefa avy miteny aho, dia afaka maneso ahy ianareo.",
        "4": "Olona angaha moa no itarainako? Raha izany no izy, dia ho nanam-paharetana hoatr\u2019izao ve aho?",
        "5": "Jereo aho ka aoka ianareo ho gaga; Tampeno amin\u2019ny tanana ny vavanareo.",
        "6": "Rehefa mieritreritra an\u2019izany aho, dia mikorontan-tsaina, Ary tora-kovitra ny tenako manontolo.",
        "7": "Nahoana ny ratsy fanahy no mbola velona foana, Ka tratrantitra sady lasa mpanankarena?",
        "8": "Eo aminy foana ny zanany, Ary hitany ny taranany.",
        "9": "Tsy manana ahiahy ny ao an-tranony, ka tsy misy atahorany, Ary tsy manasazy azy amin\u2019ny tsorakazony Andriamanitra.",
        "10": "Manome taranaka foana ny ombilahiny; Miteraka ny ombivaviny sady tsy misy hoe tsy mahavanona anaka.",
        "11": "Mikarenjy eny ivelany toy ny andian\u2019ondry ny zanany lahikely, Ary mifalihavanja ny zanany.",
        "12": "Sady mihira izy ireo no mively ampongatapaka sy mitendry harpa, Ary faly er\u1ef3 mihaino feon-tsodina.",
        "13": "Sambatra izy ireo mandritra ny androm-piainany, Ary midina amim-piadanana any amin\u2019ny Fasana.",
        "14": "Hoy anefa izy ireo amin\u2019ilay tena Andriamanitra: \u2018Aza helingelenina izahay! Tsy te hahafantatra ny lalanao izahay.",
        "15": "Iza moa ilay Mahery Indrindra no hotompoinay? Inona no soa ho azonay raha mahafantatra azy izahay?\u2019",
        "16": "Fantatro anefa fa tsy vitan\u2019izy ireo ny hampandeha tsara foana ny fiainany. Lavitra ahy ny fisainan\u2019ny ratsy fanahy!",
        "17": "Impiry moa no mba maty ny jiron\u2019ny ratsy fanahy? Impiry moa no mba misy loza manjo azy? Ary impiry moa Andriamanitra no mba mandringana azy rehefa tezitra?",
        "18": "Mba lasa toy ny mololo paohin\u2019ny rivotra angaha izy ireo, Na toy ny akofa entin\u2019ny tafio-drivotra?",
        "19": "Hotehirizin\u2019Andriamanitra ho an\u2019ny zanany ny sazin\u2019ny olona iray. Fa enga anie hovalian\u2019Andriamanitra aminy ihany ny ataony, mba ho tsapany izany!",
        "20": "Ny masony mihitsy anie no hahita ny loza hanjo azy, Ary enga anie izy ihany no hisotro amin\u2019ny fahatezeran\u2019ilay Mahery Indrindra!",
        "21": "Fa inona moa no ivakiany loha amin\u2019izay mitranga amin\u2019ny taranany rehefa tsy eo intsony izy, Raha afohezina ireo volana tokony hiainany?",
        "22": "Misy afaka mampita fahalalana amin\u2019Andriamanitra ve, Nefa Izy aza no mitsara ny olona ambony indrindra?",
        "23": "Maty ny olona iray raha mbola ao aminy ny tanjany rehetra, Raha mbola tsy manana ahiahy mihitsy izy sady miadana,",
        "24": "Ary feno tavy ny feny Sady mafy ny taolany.",
        "25": "Maty ao anatin\u2019ny fahoriana mangidy kosa ny olona iray hafa, Nefa tsy mba nanandrana zava-tsoa akory.",
        "26": "Hiara-mandry ao amin\u2019ny vovoka izy roa tonta, Sady samy ho rakotry ny olitra.",
        "27": "Fantatro tsara ny eritreritrareo, Sy ny tetika tianareo hamelezana ahy.",
        "28": "Fa hoy ianareo: \u2018Aiza ny tranon\u2019ny olona ambony, Ary aiza ny tranolay nipetrahan\u2019ny ratsy fanahy?\u2019",
        "29": "Tsy nanontanianareo angaha ny mpanao dia lavitra? Tsy nofakafakainareo angaha ny fanamarihan\u2019izy ireo",
        "30": "Hoe voatsimbina ny olon-dratsy amin\u2019ny andro iavian\u2019ny loza, Ary voavonjy izy amin\u2019ny andro fahatezerana?",
        "31": "Iza no ho sahy hanakiana ny fitondran-tenany, Ary iza no hamaly azy noho izay nataony?",
        "32": "Rehefa entina any amin\u2019ny toeram-pandevenana izy, Dia hasiana mpiambina eo amin\u2019ny fasany.",
        "33": "Ho mamy aminy ny baingan-tany manototra azy eny an-dohasaha, Ary hanaraka azy ny olon-drehetra Hoatran\u2019ireo olona tsy hita isa efa lasa talohany.",
        "34": "Koa nahoana ianareo no manome ahy fampiononana tsy misy dikany? Tsy misy afa-tsy lainga ny valin-teninareo!\u201d"
    },
    "22": {
        "1": "Dia namaly i Elifaza Temanita hoe:",
        "2": "\u201cMila olona angaha moa Andriamanitra? Sa mahasoa azy ny olona lalin-tsaina?",
        "3": "Na manao ny marina aza ianao, inona moa no iraharahian\u2019ilay Mahery indrindra an\u2019izany? Sa misy tombony ho azy satria hoe tsy mivadika aminy ianao?",
        "4": "Noho ianao manaja azy\u00a0ve No hanasaziany anao sy hitondrany anao eny amin\u2019ny fitsarana?",
        "5": "Tsy satria ve hoe efa be loatra ny ratsy vitanao Ary manao fahadisoana foana ianao?",
        "6": "Fa maka antoka amin\u2019ny rahalahinao ianao nefa tsy misy antony akory, Ary manendaka ny akanjon\u2019ny olona ianao ka avelanao hitanjaka izy.",
        "7": "Tsy manome rano hosotroin\u2019ny reraka ianao, Ary tsy manome sakafo ho an\u2019ny noana.",
        "8": "Ny mahery no tompon\u2019ny tany, Ary izay iangarana no mipetraka\u00a0ao.",
        "9": "Nalefanao nody maina kosa ny mpitondratena, Ary nataonao torotoro ny sandrin\u2019ny kamboty ray.",
        "10": "Izany no mahatonga anao ho voahodidina fandrika, Sy hihorohoro noho ny zavatra mampahatahotra tampoka;",
        "11": "Izany koa no mahatonga ny haizim-pito ka tsy mahita na inona na inona ianao, Ary misy tondra-drano manafotra anao.",
        "12": "Tsy any an-danitra avo any ve Andriamanitra? Dia mba jereo ange ny haavon\u2019ny kintana rehetra\u00a0e!",
        "13": "Hoy anefa ianao: \u2018Inona moa no tena fantatr\u2019Andriamanitra? Angaha izy afaka mitsara avy ao ambadiky ny haizim-be?",
        "14": "Takon\u2019ny rahona izy, ka tsy mahita Rehefa mandehandeha eny amin\u2019ny lanitra.\u2019",
        "15": "Moa ve ianao hanaraka ny lalana efa nisy hatrizay, Izay nandehanan\u2019ny ratsy fanahy,",
        "16": "Dia ireo olona nindaosin\u2019ny fahafatesana aloha be, Toy ny fototry ny trano lasan\u2019ny rano?",
        "17": "Hoy izy ireny amin\u2019ilay tena Andriamanitra: \u2018Aza helingelenina izahay!\u2019 Ary koa hoe: \u2018Inona moa no azon\u2019ilay Mahery Indrindra atao aminay?\u2019",
        "18": "Andriamanitra anefa no nameno zava-tsoa ny tranon\u2019izy ireny. \u2014Lavitra ny fisainako izany fisainan\u2019ny ratsy fanahy izany.\u2014",
        "19": "Hahita ny fahavoazan\u2019izy ireny ny marina ka hifaly, Ary haneso an\u2019ireny ny tsy manan-tsiny, ka hilaza hoe:",
        "20": "\u2018Ringana ny fahavalontsika, Ary ho levon\u2019ny afo izay sisa miangana aminy.\u2019",
        "21": "Ataovy izay hahafantaranao tsara an\u2019Andriamanitra, dia hilamin-tsaina ianao; Hahazo zava-tsoa ianao avy\u00a0eo.",
        "22": "Ekeo ny lal\u00e0na lazain\u2019ny vavany, Ary tehirizo ao am-ponao ny teniny.",
        "23": "Raha miverina amin\u2019ilay Mahery Indrindra ianao, dia hiverina amin\u2019ny laoniny ny fiainanao; Raha esorinao tsy ho ao amin\u2019ny tranolainao ny tsy fahamarinana,",
        "24": "Raha arianao eny amin\u2019ny vovoka ny volamenanao, Ary arianao eny amin\u2019ny tevana be\u00a0vato ny volamena avy any Ofira,",
        "25": "Dia ilay Mahery Indrindra no ho toy ny volamena ho anao, Sy ho toy ny volafotsy tsara indrindra ho anao.",
        "26": "Amin\u2019izay dia ho finaritra amin\u2019ilay Mahery Indrindra ianao, Sady hitraka hijery an\u2019Andriamanitra.",
        "27": "Hitalaho aminy ianao, dia hihaino anao izy. Ary hanefa ny voadinao ianao.",
        "28": "Hahomby daholo izay eritreretinao hatao, Ary hazava ny lalanao.",
        "29": "Haetry ianao rehefa mirehareha, Fa ny manetry tena kosa no hovonjeny.",
        "30": "Hamonjy an\u2019ireo tsy manan-tsiny izy; Koa tsy maintsy ho voavonjy ianao raha madio ny tananao.\u201d"
    },
    "23": {
        "1": "Namaly i Joba hoe:",
        "2": "\u201cNa androany aza dia mbola hitaraindraina foana aho; Tsy manan-kery intsony aho satria misentosento lava.",
        "3": "Raha mba fantatro mantsy hoe aiza no hahitako an\u2019Andriamanitra, Dia hankany amin\u2019ny toerana ipetrahany aho!",
        "4": "Hoentiko eo anatrehany ny adiko, Ary hataoko eo am-bavako daholo izay teny hiarovako ny tenako.",
        "5": "Hohenoiko izay havaliny ahy, Ary ho fantatro izay holazainy amiko.",
        "6": "Hiady amiko ve izy ka hampiasa ny heriny lehibe? Tsy hanao an\u2019izany izy, fa azo antoka hoe hihaino ahy.",
        "7": "Amin\u2019izay dia ho afaka hifanazava aminy ny olona manao izay mahitsy, Ary hanafaka ahy madiodio ny Mpitsara ahy.",
        "8": "Raha miantsinanana anefa aho, dia tsy any izy; Ary miankandrefana aho nefa tsy mahita azy.",
        "9": "Rehefa miasa any avaratra izy, dia tsy hitako; Dia mivily mankany atsimo izy, nefa mbola tsy hitako ihany.",
        "10": "Fantany anefa izay lalana alehako. Rehefa avy sedrainy aho, dia ho toy ny volamena tsy misy fangarony.",
        "11": "Nanaraka akaiky ny dian-tongony ny tongotro; Nandeha tamin\u2019ny lalany aho fa tsy nivilivily.",
        "12": "Tsy niala tamin\u2019ny didy nambarany aho. Notandremako mihoatra noho izay notakina tamiko ny teniny sady sarobidy tamiko.",
        "13": "Iza moa no mahatohitra azy rehefa tapaka ny heviny? Izay tiany hatao dia ataony.",
        "14": "Fa hotanterahiny hatramin\u2019ny farany izay efa noeritreretiny momba ahy, Ary mbola misy zavatra maro hoatr\u2019izany eritreretiny.",
        "15": "Izany no mahatonga ahy hatahotra azy; Vao mainka mihorohoro aho rehefa mieritreritra momba azy.",
        "16": "Nataon\u2019Andriamanitra izay hahakivy ny foko, Ary nampatahotra ahy ilay Mahery Indrindra.",
        "17": "Mbola tsy nahatonga ahy hangina anefa na ny haizina Na ny haizim-pito izay mandrakotra ny tarehiko."
    },
    "24": {
        "1": "\u201cNahoana ilay Mahery Indrindra no tsy mametra fotoana? Nahoana no tsy mahatsikaritra an\u2019izany andro izany ny olona mahafantatra azy?",
        "2": "Akisaky ny olona ny marika mamaritra ny tanin\u2019olon-kafa. Alainy an-keriny ho any amin\u2019ny kijanany ny ondry aman\u2019osin\u2019izy ireo.",
        "3": "Roahiny ho any aminy ny ampondran\u2019ny kamboty ray, Ary alainy ho antoka ny ombin\u2019ny mpitondratena.",
        "4": "Tereny hiala amin\u2019ny lalana ny mahantra; Voatery miafina azy ny olona tsy misy mpiaro eto an-tany.",
        "5": "Mirenireny mitady sakafo toy ny ampondradia any an-tany efitra ny mahantra; Mitady sakafo ho an-janany any amin\u2019ny tany karakaina izy ireo.",
        "6": "Voatery mijinja eny amin\u2019ny sahan\u2019olona izy ireo Ary mitsimpona voaloboka eny an-tanimboaloboky ny ratsy fanahy.",
        "7": "Matory mitanjaka izy ireo mandritra ny alina fa tsy miakanjo; Tsy manan-damba hirakofana izy ireo rehefa mangatsiaka.",
        "8": "Kotsan\u2019ny orana eny an-tendrombohitra izy ireo; Mitampify eny amin\u2019ny vatolampy izy ireo fa tsy manan-kialofana.",
        "9": "Misy maka an-keriny eny an-tratran-dreniny ny kamboty ray; Ary alaina ho antoka ny akanjon\u2019ny mahantra,",
        "10": "Ka voatery mandehandeha mitanjaka tsy miakanjo izy ireo, Ary noana eny am-pitondrana salohim-bary.",
        "11": "Miasa mafy eny amin\u2019ny tanimboly mikitohatohatra izy ireo amin\u2019ny andro migaingaina; Manitsakitsaka voaloboka ao anaty lavaka famiazana izy ireo, nefa mangetaheta.",
        "12": "Mitaraindraina ao an-tan\u00e0na ny olona miala aina; Miantso vonjy ny olona maratra mafy efa ho faty, Nefa tsy mampaninona an\u2019Andriamanitra izany.",
        "13": "Eo koa ireo mikomy amin\u2019ny hazavana; Tsy mahafantatra ny lalan\u2019ny hazavana izy ireo, Ary tsy manaraka an\u2019izany.",
        "14": "Mifoha ny mpamono olona raha vao mangiran-dratsy; Mamono an\u2019ireo tsy misy mpiaro sy mahantra izy, Ary mandeha mangalatra rehefa alina.",
        "15": "Miandry takariva maizimaizina ny mason\u2019ny mpanitsakitsa-bady, Ary milaza izy hoe: \u2018Tsy hisy hahita ahy!\u2019 Saronany koa ny tarehiny.",
        "16": "Mamaky trano ny mpangalatra rehefa maizina ny andro; Mihidy aman-trano izy ireo amin\u2019ny antoandro. Tsy mba fantany ny mazava.",
        "17": "Toy ny haizim-pito mantsy ny maraina aminy; Efa mahazatra azy ny haizim-pito mampihorohoro.",
        "18": "Vetivety anefa izy ireo dia ho lasan\u2019ny rano. Ho voaozona ny anjara taniny. Tsy hiverina any amin\u2019ny tanimboalobony intsony izy ireo.",
        "19": "Mitsonika ny lanezy dia levona rehefa misy hain-tany sy tratry ny hafanana. Levona toy izany koa ny mpanota rehefa lasa ao amin\u2019ny Fasana!",
        "20": "Hanadino azy ny reniny, ary hankafy hihinana azy ny olitra. Tsy hotsarovana intsony izy. Ho tapaka tahaka ny hazo ny tsy fahamarinana.",
        "21": "Mihaza an\u2019izay vehivavy tsy miteraka izy, Ary mampijaly an\u2019izay maty vady.",
        "22": "Hampiasa ny heriny Andriamanitra mba handringanana ny matanjaka. Na dia mety hoe hisandratra aza izy ireo, dia tsy azon\u2019izy ireo antoka hoe ho velona izy ireo.",
        "23": "Avelan\u2019Andriamanitra hatoky tena sy hahatsiaro ho tsy manana ahiahy izy ireo, Nefa arahiny maso izay rehetra ataon\u2019izy ireo.",
        "24": "Misandratra vetivety izy ireo, dia tsy hita intsony. Aetry izy ireo, ary angonina toy ny olon-drehetra; Otazana toy ny salohim-bary izy ireo.",
        "25": "Iza \u00e0ry no afaka manaporofo fa mpandainga aho, Na afaka milaza fa diso ny teniko?\u201d"
    },
    "25": {
        "1": "Dia namaly i Bildada Sohita hoe:",
        "2": "\u201cAzy ny fahefana sy ny hery mampahatahotra; Mampisy fiadanana any an-danitra izy.",
        "3": "Voaisa ve ny miaramilany? Iza no tsy iposahan\u2019ny hazavany?",
        "4": "Koa ny olombelona mety maty ve dia ho marina eo anatrehan\u2019Andriamanitra? Ary ny olona atera-behivavy ve dia tsy hanan-tsiny?",
        "5": "Na ny volana aza tsy mamiratra, Ary na ny kintana aza tsy madio eo imasony,",
        "6": "Koa mainka fa ny olombelona mety maty, izay toy ny olitra, Ary ny zanak\u2019olombelona, izay toy ny kankana!\u201d"
    },
    "26": {
        "1": "Namaly i Joba hoe:",
        "2": "\u201cHoatr\u2019izany ve no mba anampianao ny tsy manan-kery? Hoatr\u2019izany ve no mba amonjenao ny sandrin\u2019ny lany hery?",
        "3": "Torohevitra mipoapoaka tokoa no nomenao ho an\u2019ny tsy manam-pahendrena! Tsy nihafihafy mihitsy ianao nampideradera ny fahendrenao!",
        "4": "Fa iza no tianao hiresahana\u00a0e, Ary iza no nampirisika anao hiteny hoatr\u2019izany?",
        "5": "Tora-kovitra ny maty tsy mahavita na inona na inona; Mbola ambany noho ny rano sy ny zavaboary monina ao izy ireo.",
        "6": "Mihanjahanja eo anatrehan\u2019Andriamanitra ny Fasana, Ary tsy misarona ny toerana mahal\u00f2 ny nofo.",
        "7": "Velariny eo amin\u2019ny babangoana ny lanitra avaratra, Ary ahantony eo amin\u2019ny tsy misy ny tany.",
        "8": "Fonosiny ao anaty rahony ny rano, Mba tsy ho triatra ny rahona noho ny havesaran\u2019ny rano;",
        "9": "Takonany mba tsy ho hita ny seza fiandrianany, Ka velariny hanarona an\u2019izany ny rahony.",
        "10": "Asiany faritra ny faravodilanitra eny ambony rano; Asiany fefy manasaraka ny mazava sy ny maizina.",
        "11": "Mihozongozona ny andrin\u2019ny lanitra; Tsy nahateny izy ireo noho ny fananaran\u2019Andriamanitra.",
        "12": "Ataony misamboaravoara ny ranomasina noho ny heriny, Ary potipotehiny ny biby ngezabe any an-dranomasina noho izy mahira-tsaina.",
        "13": "Ataony mampahadio ny lanitra ny fofonainy; Manatrobaka bibilava sarotra samborina ny tanany.",
        "14": "Vao ampahany kely amin\u2019ny zava-bitany ihany izany; Vao bitsibitsika ihany no henontsika momba azy! Koa iza no mahatakatra ny kotroka mafy avy aminy?\u201d"
    },
    "27": {
        "1": "Nanohy ny teniny i Joba ka nilaza hoe:",
        "2": "\u201cRaha mbola velona koa Andriamanitra, izay tsy nanome rariny ahy, Raha mbola velona koa ilay Mahery Indrindra, izay nampangidy ny fiainako,",
        "3": "Raha mbola manam-pofonaina koa aho, Ka mbola misy aina avy amin\u2019Andriamanitra eo am-bavoroko,",
        "4": "Dia tsy hiteny zavatra tsy marina ny molotro; Tsy hingonongonona fitaka ny lelako!",
        "5": "Sanatria ahy ny hilaza hoe marina ianareo! Tsy hanaiky hivadika mihitsy\u00a0aho mandra-pahafatiko.",
        "6": "Hazoniko mafy ny fahamarinako, ka tsy havotsotro mihitsy; Tsy hanameloka ahy ny foko raha mbola velona koa aho.",
        "7": "Enga anie ny fahavaloko ho lasa hoatran\u2019ny ratsy fanahy, Ary ireo miady amiko ho toy ny olona tsy marina!",
        "8": "Fa inona moa ny fanantenan\u2019ny olona tsy matahotra an\u2019Andriamanitra rehefa ringana izy, Rehefa esorin\u2019Andriamanitra ny ainy?",
        "9": "Hihaino ny fitarainany ve Andriamanitra, Rehefa misy fahoriana manjo azy?",
        "10": "Sa izy hifaly amin\u2019ilay Mahery Indrindra? Hiantso foana an\u2019Andriamanitra ve izy?",
        "11": "Hampianatra anareo momba ny herin\u2019Andriamanitra aho; Tsy hanafina na inona na inona momba an\u2019ilay Mahery Indrindra aho.",
        "12": "Raha efa nahazo fahitana daholo ianareo, Dia maninona ny teninareo no tsy misy horaisina mihitsy?",
        "13": "Izao no anjara atokan\u2019Andriamanitra ho an\u2019ny ratsy fanahy, Dia ny lova azon\u2019ny mpanjakazaka avy amin\u2019ilay Mahery Indrindra:",
        "14": "Ho fatin\u2019ny sabatra ny zanany, na dia mihamaro aza, Ary tsy ho ampy sakafo ny taranany.",
        "15": "Ho fatin\u2019ny aretina izay sisa tavela amin\u2019ny zanany ka halevina, Ary tsy hitomany azy ireo ny vady navelany.",
        "16": "Na manangona volafotsy maro be toy ny vovoka aza izy, Sy akanjo tsara be dia be toy ny tanimanga miavosa,",
        "17": "Na dia manangona an\u2019izany aza izy, Dia ny olo-marina no hitafy an\u2019izany, Ary ny tsy manan-tsiny no hizara ny volafotsiny.",
        "18": "Ny trano aoriny dia mora simba hoatran\u2019ny tranon\u2019ny bibikely, Toy ny tranokely fialokalofana namboarin\u2019ny mpiambina.",
        "19": "Manankarena izy rehefa hatory, nefa tsy hahangona na inona na inona; Tsy hisy na inona na inona intsony eo, rehefa manokatra ny masony izy.",
        "20": "Mahatratra azy tampoka toy ny tondra-drano ny horohoro; Paohin\u2019ny tafio-drivotra izy amin\u2019ny alina.",
        "21": "Hoentin\u2019ny rivotra avy any atsinanana izy ka tsy ho eo intsony; Hofaohiny hiala amin\u2019ny toerany izy.",
        "22": "Hifofofofo hamely azy tsy an-kiantra izany, Raha iny izy miezaka mafy hitsoaka ny herin\u2019ilay rivotra iny.",
        "23": "Toy ny hoe mitehaka ilay rivotra mba hanesoesoana azy, Ary misioka maneso azy avy eo amin\u2019ny toerany izy io."
    },
    "28": {
        "1": "\u201cMisy toerana itrandrahana volafotsy, Ary toerana misy volamena mbola hodiovina.",
        "2": "Alaina avy amin\u2019ny tany ny\u00a0vy, Ary atsonika avy amin\u2019ny vatolampy ny varahina.",
        "3": "Resin\u2019ny olona ny haizina; Mikaroka hatrany amin\u2019ny fetra farany ao anaty haizina sy haizim-pito izy, Mba hitrandrahana vato.",
        "4": "Mihady lavaka fitrandrahana lavitra ny fonenan\u2019ny olona izy, Any amin\u2019ny toerana efa hadinon\u2019ny olona sady tsy misy mpandeha; Misy olona midina any ary misavilivily amin\u2019ny tady.",
        "5": "Maniry eny ambonin\u2019ny tany ny sakafo; Nefa ny any ambaniny ravarava hoatran\u2019ny hoe nolalovan\u2019ny afo.",
        "6": "Misy safira ny vato any, Ary misy volamena ny vovoka.",
        "7": "Tsy mahafantatra ny lalana mankany ny vorona mpihaza; Tsy mahita an\u2019izany ny mason\u2019ny papango mainty.",
        "8": "Tsy manitsakitsaka an\u2019izany ny biby lehibe; Tsy mihaodihaody any ny liona tanora.",
        "9": "Mikapoka vatoafo amin\u2019ny tanany ny olona; Aongany hatramin\u2019ny fotony ny tendrombohitra.",
        "10": "Mandavaka lakandrano any anaty vatolampy izy; Hitan\u2019ny masony ny zava-tsarobidy rehetra.",
        "11": "Tampenany ny loharano ipoiran\u2019ny renirano, Ary avoakany ho eo amin\u2019ny mazava ny harena miafina.",
        "12": "Fa aiza kosa no ahitana ny fahendrena, Ary aiza no ahazoana fahiratan-tsaina?",
        "13": "Tsy misy olombelona mahay manombana ny hasarobidin\u2019izany, Ary tsy hita eo amin\u2019ny tanin\u2019ny velona izany.",
        "14": "Hoy ny rano lalina: \u2018Tsy at\u1ef3 amiko izany!\u2019 Ary hoy ny ranomasina: \u2018Tsy ato amiko izany!\u2019",
        "15": "Tsy voavidina volamena tsy misy fangarony izany; Ary tsy mety atao takalony ny volafotsy lanjaina.",
        "16": "Tsy voavidina volamena avy any Ofira izany, Na voavidina vato oniksa tsy fahita firy na safira.",
        "17": "Tsy afaka mifampitaha aminy ny volamena sy ny fitaratra; Ary tsy mety atao takalony ny zavatra vita amin\u2019ny volamena tena tsara.",
        "18": "Tsy mendrika ny hotononina akory ny haran-dranomasina sy ny kristaly, Satria sarobidy noho ny perla iray\u00a0kitapo ny fahendrena iray\u00a0kitapo.",
        "19": "Tsy afaka mifampitaha aminy ny topaza avy any Kosy; Na ny volamena tsy misy fangarony aza tsy mahavidy azy.",
        "20": "Fa avy aiza \u00e0ry ny fahendrena, Ary aiza no ahazoana fahiratan-tsaina?",
        "21": "Nafenina tamin\u2019ny mason\u2019ny zavamananaina rehetra izany, Sady nafenina tamin\u2019ny voro-manidina.",
        "22": "Hoy Rafandringanana sy Rafahafatesana: \u2018Henon\u2019ny sofinay fotsiny ny momba an\u2019izany.\u2019",
        "23": "Andriamanitra no mahafantatra ny lalana ahitana an\u2019izany; Izy irery no mahalala ny toerana ipetrahany,",
        "24": "Fa mitazana ny hatrany amin\u2019ny faran\u2019ny tany izy, Sady hitany daholo ny eny ambanin\u2019ny lanitra.",
        "25": "Tamin\u2019izy nanome hery ny rivotra Sy nitsinjara ny rano,",
        "26": "Tamin\u2019izy nanao lal\u00e0na ho an\u2019ny orana, Sy lalana ho an\u2019ny rahon\u2019oram-baratra,",
        "27": "Dia hitany ny fahendrena ka nohazavainy; Nataony mafy orina izany sady nosedrainy.",
        "28": "Dia hoy izy tamin\u2019ny olombelona: \u2018Ny fahatahorana an\u2019i Jehovah no fahendrena, Ary ny fialana amin\u2019ny ratsy no fahiratan-tsaina.\u2019\u201d"
    },
    "29": {
        "1": "Nanohy ny teniny ihany i Joba, ka nilaza hoe:",
        "2": "\u201cRaha mba toy ny tamin\u2019ireo volana lasa mantsy ny fiainako, Toy ny tamin\u2019ny andro niarovan\u2019Andriamanitra ahy,",
        "3": "Tamin\u2019izy nampamirapiratra ny jirony teo ambony lohako, Ka ny fahazavany no nitsilo ny diako tao anaty haizina,",
        "4": "Tamin\u2019izaho mbola tanora sy natanjaka, Sy tamin\u2019Andriamanitra mbola namako tao an-tranolaiko,",
        "5": "Tamin\u2019ny mbola niaraka tamiko ilay Mahery Indrindra, Ary nanodidina ahy ny zanako rehetra,",
        "6": "Tamin\u2019ny mbola feno dibera ny lalako, Ary niboiboika menaka ho ahy ny vatolampy!",
        "7": "Tamin\u2019izaho mpankeo am-bavahadin\u2019ny tan\u00e0na, Ka nipetraka teo amin\u2019ny toerako, teo amin\u2019ny tany malalaky ny tan\u00e0na,",
        "8": "Dia nahita ahy ny tovolahy ka nikisaka, Ary na ny olona efa antitra aza nitsangana ka nijoro teo foana.",
        "9": "Nangina tsy niteny ny andriana; Notampenany tamin\u2019ny tanany ny vavany.",
        "10": "Tsy nahavoaka feo ny olona ambony; Niraikitra tamin\u2019ny lanilaniny ny lelany.",
        "11": "Nilaza zavatra tsara momba ahy izay rehetra nandre ahy, Ary niaro ahy ireo nahita ahy.",
        "12": "Fa novonjeko ny mahantra niantso vonjy, Sy ny kamboty ray ary izay tsy nisy nanampy.",
        "13": "Nitso-drano ahy ny olona efa ho faty, Ary nampifaliko ny fon\u2019ny mpitondratena.",
        "14": "Nanaovako foana toy ny akanjo ny fahamarinana; Toy ny akanjo lava sy satroka lamba tsy miala eny amiko ny fampiharako ny rariny.",
        "15": "Nanjary maso ho an\u2019ny jamba aho, Ary tongotra ho an\u2019ny malemy.",
        "16": "Ray ho an\u2019ny mahantra aho; Nanadihady ny adin\u2019olona tsy fantatro aho.",
        "17": "Nopotehiko ny valanoranon\u2019ny mpanao ratsy, Ary nosintoniko avy teny am-bavany ny haza efa azony.",
        "18": "Mpiteny an\u2019izao aho: \u2018Ao an-tranoko ihany aho no ho faty, Ary ho maro be hoatran\u2019ny fasika ny androko.",
        "19": "Hisandrahaka any anaty rano ny fakako, Ary hisy ando foana ny sampako mandritra ny alina.",
        "20": "Mihavao foana ny voninahitro, Ary hitifitra tsy an-kijanona ny tsip\u00ecka eny an-tanako.\u2019",
        "21": "Liana nihaino ahy ny olona, Ka nangina niandry ny torohevitro.",
        "22": "Tsy nanan-kolazaina intsony izy ireo rehefa avy niteny aho; Nanongilan-tsofina nihaino ny teniko izy ireo.",
        "23": "Niandry ahy toy ny niandry orana izy ireo, Ary nitanatana vava toy ny niandry orana amin\u2019ny lohataona.",
        "24": "Saika tsy nino izy ireo rehefa nitsiky taminy aho; Nanome toky azy\u00a0ireo ny tarehiko miramirana.",
        "25": "Nanome tari-dalana azy ireo aho, ka toy ny mpitarika azy. Toy ny mpanjaka teo amin\u2019ny andia-miaramilany aho, Ary tahaka ny mpampionona an\u2019ireo mana-manjo."
    },
    "30": {
        "1": "\u201cMihomehy ahy izy ireo izao, Dia ireo mbola zandriko. Na ny rain\u2019izy ireo aza anefa tsy ho nekeko Hiaraka tamin\u2019ny alika mpiandry ny ondriko akory.",
        "2": "Inona moa no mba nilako ny herin\u2019izy ireo? Tsy manana tanjaka intsony izy ireo.",
        "3": "Reraka izy ireo satria tsy manana na inona na inona sady noana; Zara raha mahita hotsakoina izy any amin\u2019ny tany karakaina, Izay efa simba sy rava.",
        "4": "Mitsongo ahitra masira any anaty kirihitra izy ireo; Fakan\u2019anjavidy no sakafony.",
        "5": "Roahina tsy ho eo amin\u2019ny fiaraha-monina izy ireo; Horakorahin\u2019ny olona izy ireo, hoatran\u2019ny ataony amin\u2019ny mpangalatra.",
        "6": "Eny amin\u2019ny hantsana misolampy izy ireo no mipetraka, Any anaty lavaka any anaty tany, sy any anaty lava-bato.",
        "7": "Miantsoantso any anaty kirihitra izy ireo, Ary mitangorona eny amin\u2019ny tsilo.",
        "8": "Zanaky ny tsisy saina sy ny tsy fantatra anarana ireny, Ka noroahina hiala amin\u2019ilay tany.",
        "9": "Manao hira manesoeso ahy anefa izy ireo izao; Harabirabin\u2019izy ireo aho.",
        "10": "Ankahalain\u2019izy ireo aho, ka ihatakatahany; Tsy menatra akory izy ireo mandrora ny tarehiko.",
        "11": "Nataon\u2019Andriamanitra tsy afaka miaro tena aho sady naetriny, Ka manaram-po manao izay tiany eo anatrehako izy ireo.",
        "12": "Mitsangana eo ankavanako toy ny vahoaka romotra izy ireo; Teren\u2019izy ireo handositra aho, Ary asiany sakana mampidi-doza ny lalako.",
        "13": "Mandrava ny lalako izy ireo Sady manampy trotraka ny fahoriako, Nefa tsy misy olona misakana azy ireo.",
        "14": "Miditra toy ny olona mifanesika eo amin\u2019ny gorobaka amin\u2019ny manda izy ireo, Ary mirohotra mankeo amin\u2019ny toerana ravarava.",
        "15": "Matahotra be aho; Nentin\u2019ny rivotra ny voninahitro, Ary levona toy ny rahona ny famonjena ahy.",
        "16": "Miala tsikelikely izao ny aiko; Mangeja ahy ny andro fahoriana.",
        "17": "Manaintaina toy ny voatrobaka ny taolako, amin\u2019ny alina; Manaikitra ahy tsy an-kijanona ny fanaintainana.",
        "18": "Mifandrirotra be ny akanjoko; Manakenda ahy hoatran\u2019ny vozon\u2019akanjoko izany.",
        "19": "Natsipin\u2019Andriamanitra tao anaty fotaka aho; Nanjary toy ny vovoka sy lavenona aho.",
        "20": "Miantso vonjy aminao aho, nefa tsy valianao; Mijoro aho, nefa jerenao fotsiny.",
        "21": "Manohitra ahy ianao ka masiaka be amiko, Ary manafika ahy amin\u2019ny herin\u2019ny tananao manontolo.",
        "22": "Ingainao aho ary avelanao entin\u2019ny rivotra, Dia ataonao mitambolimbolina eny amin\u2019ny tafio-drivotra.",
        "23": "Fa fantatro fa hoentinao midina any amin\u2019ny fahafatesana aho, Dia any amin\u2019ny trano hihaonan\u2019ny velona rehetra.",
        "24": "Tsy hisy hamely olona efa kivy, Rehefa miantso vonjy izy mandritra ny fotoam-pahoriany.",
        "25": "Tsy mba nitomany ve aho rehefa nisy olona tao anatin\u2019ny sarotra? Tsy mba nalahelo an\u2019ireo mahantra ve aho?",
        "26": "Zavatra tsara no nantenaiko, kanjo zava-dratsy no tonga; Nanantena mazava aho, kanjo haizina no tonga.",
        "27": "Nangotikotika tsy nety nijanona ny tato anatiko; Nianjady tamiko ny andro fahoriana.",
        "28": "Mandehandeha amin\u2019alahelo aho; tsy misy andro mihiratra. Mitsangana eo anivon\u2019ny olona mivory aho ka miantso vonjy.",
        "29": "Lasa rahalahin\u2019ny alikadia aho, Sady naman\u2019ny zanakavavin\u2019ny aotirisy.",
        "30": "Nanjary mainty ny hoditro, dia mihofakofaka; Main\u2019ny hafanana ny taolako.",
        "31": "Fisaonana ihany sisa no ampiasako ny harpa, Ary feo mitomany ihany no avoakan\u2019ny sodiko."
    },
    "31": {
        "1": "\u201cEfa nanao fifanekena tamin\u2019ny masoko aho, Koa hataoko ahoana indray no hijerijery virjiny?",
        "2": "Raha sanatria aho manao an\u2019izany, dia inona no ho anjarako avy amin\u2019ilay Andriamanitra any ambony, Dia ny lovako avy any amin\u2019ilay Mahery Indrindra any amin\u2019ny avo?",
        "3": "Tsy loza ve no miandry ny mpanao ratsy, Ary fahoriana no miandry ny mpisompatra?",
        "4": "Tsy mahita ny lalako angaha Andriamanitra, Ary tsy manisa ny diako rehetra angaha izy?",
        "5": "Efa nanao ny tsy marina angaha aho? Maika handeha hamitaka ve ny tongotro?",
        "6": "Aleo Andriamanitra handanja ahy amin\u2019ny mizana marina, Dia ho hitany fa tsy mivadika aho.",
        "7": "Raha mivily any amin\u2019ny tsy izy ny diako, Na manaraka izay tian\u2019ny masoko ny foko, Na voaloto ny tanako,",
        "8": "Dia aoka aho hamafy, nefa olon-kafa no hihinana, Ary aoka hisy hanongotra izay amboleko.",
        "9": "Raha voasarika ho amin\u2019ny vehivavy hafa ny foko, Ka mamitsaka miandry eo am-baravaran\u2019ny namako aho,",
        "10": "Dia aoka ny vadiko hanodina vato fikosoham-bary ho an\u2019ny lehilahy hafa, Ary aoka hisy lehilahy hafa hanao firaisana aminy.",
        "11": "Fa fitondran-tena mahamenatra izany, Ary fahadisoana tokony hahazoana sazy avy amin\u2019ny mpitsara.",
        "12": "Ho afo mandoro sy mamotika tanteraka izany, Ka ho levona hatramin\u2019ny fakany ny zavatra rehetra novokariko.",
        "13": "Raha tsy nomeko rariny ny mpanompolahiko sy ny mpanompovaviko Rehefa nitaraina noho ny nataoko,",
        "14": "Dia inona no hataoko rehefa mitsara ahy Andriamanitra? Inona no havaliko azy rehefa manao ampamoaka izy?",
        "15": "Tsy Ilay nanamboatra ahy tao am-bohoka ihany ve no nanamboatra azy ireo koa? Tsy Iray ihany ve no namolavola anay talohan\u2019ny nahaterahanay?",
        "16": "Raha tsy nety nanome an\u2019izay mba nirin\u2019ny mahantra aho, Na navelako hipitrapitra ny mason\u2019ny mpitondratena;",
        "17": "Raha nohaniko irery ny anjara sakafoko, Fa tsy nozaraiko tamin\u2019ny kamboty;",
        "18": "\u2014Efa hatramin\u2019izaho mbola tanora mantsy no niara-lehibe tamiko ny kamboty ka toy ny rainy aho, Ary efa hatramin\u2019ny mbola kely aho no mpitari-dalana ho an\u2019ny mpitondratena. \u2014",
        "19": "Raha toa aho nahita olona efa ho faty noho izy tsy nanana akanjo, Na nahita mahantra tsy nanan-damba hirakofana;",
        "20": "Raha tsy nitso-drano ahy izy Rehefa nanafana ny tenany tamin\u2019ny volon\u2019ondriko;",
        "21": "Raha nambanako totohondry ny kamboty Rehefa nila fanampiana tamiko teo am-bavahadin\u2019ny tan\u00e0na,",
        "22": "Dia aoka ny sandriko hiala amin\u2019ny soroko, Ary aoka ny tanako ho tapaka eo amin\u2019ny kiho.",
        "23": "Fa natahotra ny hiharan\u2019ny loza avy amin\u2019Andriamanitra aho, Ary tsy nahajoro teo anoloan\u2019ny voninahiny.",
        "24": "Raha nitoky tamin\u2019ny volamena aho, Na niteny tamin\u2019ny volamena tena tsara hoe: \u2018Ianao no ianteherako!\u2019",
        "25": "Raha nifaly tamin\u2019ny harem-be nananako aho, Satria nahazo fananana be dia be;",
        "26": "Raha nahita ny masoandro mamirapiratra aho, Na ny volana kanto mamakivaky ny lanitra;",
        "27": "Ka voasarika mangingina ny foko, Ary nanoroka ny tanako ny vavako ka nivavaka tamin\u2019ireny aho;",
        "28": "Dia fahadisoana tokony hahazoana sazy avy amin\u2019ny mpitsara izany, Satria ho nanda an\u2019ilay tena Andriamanitra any ambony aho.",
        "29": "Efa mba nibitaka ve aho rehefa ringana ny fahavaloko, Na nifaly tamin\u2019ny fahavoazany?",
        "30": "Tsy mba namela ny vavako hanota aho, Ka hoe hanozona azy sy haniry ny hahafatesany.",
        "31": "Tsy niteny ve ny olona tao an-tranolaiko hoe: \u2018Iza no mahita olona tsy voky tamin\u2019ny sakafo nomeny?\u2019",
        "32": "Tsy nisy vahiny voatery natory teny an-tokotany; Nosokafako ho an\u2019ny mpanao dia lavitra ny varavarako.",
        "33": "Efa mba nanarontsarona ny fandikan-dal\u00e0na nataoko ve aho, toy ny fanaon\u2019olona, Ka nanafina ny fahadisoako tao anaty paosin\u2019akanjoko?",
        "34": "Efa mba natahotra an\u2019izay mety hataon\u2019ny vahoaka ve aho, Na nihorohoro noho ny fanesoan\u2019ny mpiara-monina Ka nangina sy tsy sahy nivoaka ny trano?",
        "35": "Raha mba misy mihaino mantsy aho! Ho nosoniaviko tamin\u2019ny anarako izay nolazaiko. Aoka ilay Mahery Indrindra hamaly ahy! Raha mba nosoratan\u2019ny mpiampanga ahy mantsy ny fiampangana ahy!",
        "36": "Dia ho nolanjaiko teo an-tsoroko izany, Ary ho nafatotro teo amin\u2019ny lohako toy ny satroboninahitra.",
        "37": "Ho notateriko tamin\u2019Andriamanitra ny diako tsirairay; Ho natoky tena hoatran\u2019ny andriana aho rehefa nanatona azy.",
        "38": "Raha nitaraina momba ahy ny taniko, Ary niara-nitomany ny vava\u00a0asa teo aminy;",
        "39": "Raha nohaniko ny vokatra teo aminy nefa tsy nandoa vola aho, Na raha nanao izay hahakivy ny tompony aho;",
        "40": "Dia aoka ho tsilo no haniry eo fa tsy varimbazaha, Ary ahidratsy maimbo fa tsy vary orza.\u201d Tapitra eto ny tenin\u2019i Joba."
    },
    "32": {
        "1": "Koa tsy niezaka namaly an\u2019i Joba intsony izy telo lahy. Resy lahatra mantsy i Joba hoe manana ny marina izy.",
        "2": "Tezitra be kosa i Eliho zanak\u2019i Barakela Bozita, avy amin\u2019ny fianakavian\u2019i Rama. Tezitra mafy tamin\u2019i Joba izy, satria niezaka nanaporofo i Joba hoe izy no marina fa tsy Andriamanitra.",
        "3": "Tezitra be tamin\u2019ny naman\u2019i Joba telo lahy koa izy, satria tsy nahita havaly izy ireo fa Andriamanitra indray no nolazainy hoe ratsy fanahy.",
        "4": "Niandry i Eliho vao namaly ny tenin\u2019i Joba, satria izy ireo be taona kokoa noho izy.",
        "5": "Vao mainka sosotra be i Eliho rehefa hitany fa tsy nanan-kavaly intsony izy telo lahy.",
        "6": "Nanomboka niteny \u00e0ry i Eliho zanak\u2019i Barakela Bozita hoe: \u201cMbola tanora aho, Fa ianareo kosa efa be taona. Koa ho fanajana anareo, dia tsy niteny aho aloha Sady tsy sahy nilaza taminareo an\u2019izay fantatro.",
        "7": "Nieritreritra aho hoe: \u2018Aleo izay efa ela niainana no hiteny, Ary izay be taona no aoka hilaza fahendrena.\u2019",
        "8": "Kanefa ny fanahin\u2019Andriamanitra izay ao amin\u2019ny olona, Dia ny fofonain\u2019ilay Mahery Indrindra, no manome azy fahiratan-tsaina.",
        "9": "Tsy izay ela niainana ihany no manam-pahendrena, Ary tsy ny zokiolona ihany no mahalala an\u2019izay tokony hatao.",
        "10": "Koa izao no lazaiko: \u2018Henoy aho, Dia holazaiko aminareo koa izay fantatro.\u2019",
        "11": "Niandry ny teninareo ho tapitra aho; Nihaino anareo aho tamin\u2019ianareo nandahatra ny hevitrareo, Sy nieritreritra an\u2019izay holazainareo.",
        "12": "Nihaino tsara anareo aho, Kanefa tsy nisy taminareo nahavita nanaporofo hoe diso i Joba, Na nahatohitra ny heviny.",
        "13": "Koa aza miteny hoe: \u2018Efa hitanay ny fahendrena; Andriamanitra no manitsy azy fa tsy olona.\u2019",
        "14": "Tsy izaho no nasiany tamin\u2019ny teniny, Koa tsy ny hevitrareo no hamaliako azy.",
        "15": "Ankona izy ireo ka tsy nanan-kavaly intsony; Tsy nahita hotenenina intsony izy ireo.",
        "16": "Niandry aho, nefa tsy nanohy ny teniny izy ireo; Nijoro teo fotsiny izy ireo, fa tsy namaly intsony.",
        "17": "Hamaly koa \u00e0ry aho; Holazaiko koa izay fantatro,",
        "18": "Fa manan-javatra be dia be holazaina aho. Manery ahy ny fanahin\u2019Andriamanitra ato anatiko.",
        "19": "Toy ny divay mandroadroatra tsy misy lalan-kivoahana ny ato anatiko, Hoatran\u2019ny siny hoditra vaovao mitady ho vaky.",
        "20": "Koa aleo aho hiteny mba ho maivamaivana! Hosokafako ny vavako ka hamaly aho.",
        "21": "Tsy mba hijery tavan\u2019olona aho, Na handokadoka olona,",
        "22": "Fa tsy mba haiko ny mandokadoka olona; Raha nanao an\u2019izany aho, dia ho nandringana ahy avy hatrany ilay Mpanao ahy."
    },
    "33": {
        "1": "\u201cHenoy anefa izao ny teniko, ry Joba, azafady indrindra; Henoy daholo izay lazaiko.",
        "2": "Mihainoa, azafady, fa hisoka-bava hiteny aho; Tsy maintsy hiteny ny lelako.",
        "3": "Amin\u2019ny fo madio no itenenako, Ary izay fantatro no lazaiko amim-pahatsorana.",
        "4": "Ny fanahin\u2019Andriamanitra no nanao ahy, Ary ny fofonain\u2019ilay Mahery Indrindra no nanome aina ahy.",
        "5": "Valio aho raha azonao atao; Resaho amiko ny hevitrao, ka miom\u00e0na hiaro ny tenanao.",
        "6": "Fa hoatr\u2019anao ihany aho eo anatrehan\u2019ilay tena Andriamanitra; Tanimanga koa no namolavolana ahy.",
        "7": "Koa tsy tokony hatahotra be ahy ianao, Ary tsy tokony hanavesatra anao izay holazaiko.",
        "8": "Reko anefa izay nolazainao. Henoko foana ianao niteny hoe:",
        "9": "\u2018Madio aho, tsy nandika lal\u00e0na; Madio aho, tsy nanao fahadisoana.",
        "10": "Mahita antony hanoherana ahy foana anefa Andriamanitra; Ataony toy ny fahavalony aho.",
        "11": "Gejainy amin\u2019ny gadra hazo ny tongotro; Arahiny maso ny diako rehetra.\u2019",
        "12": "Tsy marina anefa izany teninao izany, ka hovaliako ianao: Lehibe lavitra noho ny olombelona mety maty Andriamanitra.",
        "13": "Nahoana ianao no mitaraina momba Azy? Satria ve hoe tsy nisy novaliany ny teninao?",
        "14": "Fa tsy\u00a0indray tsy\u00a0indroa Andriamanitra no miteny, Nefa tsy misy miraharaha.",
        "15": "Miteny ao amin\u2019ny nofy izy, na ao amin\u2019ny fahitana amin\u2019ny alina, Rehefa renoky ny torimaso ny olona, Ka matory eo am-pandrianany.",
        "16": "Dia sokafany ny sofin\u2019izy ireo, Ary antitranteriny amin\u2019izy ireo ny toromarika omeny,",
        "17": "Mba hahatonga ny olona hiala amin\u2019ny fanao ratsy, Sy hiarovana azy tsy hirehareha.",
        "18": "Miaro ny olona tsy ho any an-davaka Andriamanitra, Miaro ny ainy tsy ho fatin\u2019ny sabatra.",
        "19": "Mananatra ny olona koa ny fanaintainany eo am-pandrianany Sy ny fijaliany tsy an-kiato noho ny taolany manakotsako,",
        "20": "Ka mankaloiloy azy ny mofo, Ary tsy tiany na dia ny sakafo matsiro aza.",
        "21": "Mihalany ny nofony ka tsy misy hojerena, Ary lasa mitrakitraky izao ny taolany nefa tsy hita izany taloha.",
        "22": "Mihamanatona ny lavaka izy; Mihamanakaiky an\u2019ireo mifofo ny ainy izy.",
        "23": "Fa raha misy iraka alefa any aminy, Mpiaro iray ao anatin\u2019ny arivo, Mba hampahafantatra ny olona an\u2019izay mahitsy,",
        "24": "Dia hiantra azy Andriamanitra, ka hilaza hoe: \u2018Aza avela ho lasa any an-davaka izy! Efa nahita vidim-panavotana aho!",
        "25": "Aoka ho tsara noho ny an\u2019ny tanora ny nofony, Ary aoka hiverina aminy indray ny heriny tamin\u2019ny fahatanorany.\u2019",
        "26": "Hitalaho amin\u2019Andriamanitra izy, ka hahazo sitraka aminy, Dia hihorakoraka sy ho faly izy rehefa mahita ny tarehiny, Ary heken\u2019Andriamanitra ho marina indray ny olombelona mety maty.",
        "27": "Hilaza amin\u2019ny olona izany lehilahy izany hoe: \u2018Efa nanota aho sady nanao ny tsy rariny, Nefa tsy nahazo an\u2019izay sahaza ahy.",
        "28": "Navotany tsy ho lasa any an-davaka aho, Ka hahita ny mazava ny aiko.\u2019",
        "29": "Ataon\u2019Andriamanitra tokoa izany rehetra izany, Ataony indroa na intelo ho an\u2019ny olona,",
        "30": "Mba hampiverina azy tsy ho any an-davaka, Ka ho afaka hanazava azy ny hazavan\u2019ny fiainana.",
        "31": "Henoy ny teniko, ry Joba! Henoy aho. Aoka ianao hangina, fa mbola hiteny aho.",
        "32": "Raha manan-kolazaina anefa ianao, dia valio aho. Mitenena, fa te hanaporofo aho hoe manana ny marina ianao.",
        "33": "Raha tsy manan-kolazaina kosa ianao, dia mihainoa ahy; Aoka ianao hangina, fa hampianatra fahendrena anao aho.\u201d"
    },
    "34": {
        "1": "Koa nanohy ny teniny i Eliho, ka niteny hoe:",
        "2": "\u201cHenoy ny teniko, ry olon-kendry; Henoy aho, ry manam-pahaizana.",
        "3": "Fa ny sofina no mamantatra teny, Toy ny lela mamantatra tsiron-kanina.",
        "4": "Andao isika hamantatra ny atao hoe rariny; Andao hiarahantsika manapaka ny atao hoe tsara.",
        "5": "Niteny mantsy i Joba hoe: \u2018Manana ny rariny aho, Saingy tsy nomen\u2019Andriamanitra rariny.",
        "6": "Izaho ve dia handainga momba an\u2019izay tokony ho didim-pitsarana momba ahy? Tsy mety sitrana ny feriko, na dia tsy nandika lal\u00e0na aza aho.\u2019",
        "7": "Aiza no misy lehilahy hoatran\u2019i Joba, Izay misotro fanesoana toy ny fisotro rano?",
        "8": "Naman\u2019ny mpanao ratsy izy, Sady sakaizan\u2019ny ratsy fanahy.",
        "9": "Izao mantsy no nolazainy: \u2018Tsy mahasoa ny olona Ny miezaka mampifaly an\u2019Andriamanitra.\u2019",
        "10": "Koa mihainoa ahy, ianareo mahira-tsaina: Sanatria an\u2019ilay tena Andriamanitra ny hanao ratsy, Sanatria an\u2019ilay Mahery Indrindra ny hanao ny tsy mety!",
        "11": "Fa hovaliany araka izay ataony ny olona, Ary havelany hizaka ny vokatry ny fitondran-tenany.",
        "12": "Tsy mba manao ratsy mihitsy Andriamanitra; Tsy mba mamadika ny rariny ilay Mahery Indrindra.",
        "13": "Iza no nanome fahefana azy hiandraikitra ny tany? Ary iza no nanendry azy hifehy an\u2019izao tontolo izao manontolo?",
        "14": "Raha mifantoka amin\u2019olona izy, Ary angoniny ho any aminy ny ain\u2019izy ireo sy ny fofonainy,",
        "15": "Dia hiara-ripaka ny olona rehetra, Ary hiverina ho vovoka ny olombelona.",
        "16": "Koa raha mahira-tsaina ianao, dia henoy izao; Henoy tsara izay lazaiko:",
        "17": "Olona mankahala ny rariny ve no tokony ho mpitondra, Sa homelohinao ny olona manana fahefana izay manao ny marina?",
        "18": "Hilaza amin\u2019ny mpanjaka ve ianao hoe: \u2018Tsy misy ilana anao!\u2019, Na amin\u2019ny olona ambony hoe: \u2018Ratsy fanahy ianao\u2019?",
        "19": "Eo anefa Ilay tsy miangatra amin\u2019ny andriana Sy tsy mihevitra ny manankarena ho ambony noho ny mahantra, Satria samy asan\u2019ny tanany izy ireny.",
        "20": "Mety ho faty tampoka amin\u2019ny misasakalina izy ireny; Tora-kovitra izy ireny ary maty; Na ny mahery aza esorina, nefa tsy tanan\u2019olona no hanala azy.",
        "21": "Fa mijery an\u2019izay alehan\u2019ny olona Andriamanitra, Ary mahita ny diany rehetra.",
        "22": "Tsy misy haizina na haizim-pito Azon\u2019ny mpanao ratsy iafenana.",
        "23": "Fa Andriamanitra tsy manondro fotoana Hankanesan\u2019ny olona eo anatrehany mba hotsaraina.",
        "24": "Torotoroiny ny mahery nefa tsy mila manadihady akory izy, Ka olon-kafa no ataony solon\u2019izy ireny.",
        "25": "Fantany mantsy ny ataon\u2019izy ireny; Aongany izy ireny mandritra ny alina, ka torotoro.",
        "26": "Asiany izy ireny fa nanao ratsy, Asiany eny amin\u2019ny toerana tazan\u2019ny olon-drehetra,",
        "27": "Satria niala taminy, Sady tsy niraharaha ny lalany rehetra;",
        "28": "Ataon\u2019izy ireny izay hampitaraina ny mahantra, Ka henony ny fitarainan\u2019ny tsy misy mpiaro.",
        "29": "Rehefa mangina tsy miteny Andriamanitra, dia iza no afaka manameloka azy? Rehefa manafina ny tarehiny izy, dia iza no afaka mahita azy? Mitovy ihany ny vokany na firenena iray no anaovany an\u2019izany na olona iray.",
        "30": "Amin\u2019izay dia tsy hanjaka ny olona tsy matahotra an\u2019Andriamanitra Sady tsy ho afaka hamandrika olona.",
        "31": "Fa hisy hilaza amin\u2019Andriamanitra ve hoe: \u2018Voasazy aho, nefa tsy nanao ratsy;",
        "32": "Ampianaro ahy izay tsy hitako; Raha nisy ratsy nataoko, dia tsy hamerina an\u2019izany intsony aho\u2019?",
        "33": "Tokony hamaly soa anao araka izay mety aminao ve izy, nefa ianao aza tsy manaiky ny didim-pitsarany? Ianao no manapa-kevitra, fa tsy izaho. Koa lazao ahy izay tena fantatrao.",
        "34": "Hiteny amiko ny mahira-tsaina, Dia ny lehilahy hendry izay maheno ahy, ka hilaza hoe:",
        "35": "\u2018Miresaka zavatra tsy fantany i Joba, Ary hita amin\u2019ny teniny fa tsy misaina tsara izy.\u2019",
        "36": "Aoka i Joba hotsapaina hatramin\u2019ny fetra farany, Satria hoatran\u2019ny an\u2019ny ratsy fanahy ny valin-teniny!",
        "37": "Ampiany fikomiana ny fahotany; Mitehaka maneso eo anatrehantsika\u00a0izy Sady miteniteny be manohitra an\u2019ilay tena Andriamanitra!\u201d"
    },
    "35": {
        "1": "Nanohy ny teniny ihany i Eliho, ka nilaza hoe:",
        "2": "\u201cTena resy lahatra ve ianao hoe manana ny rariny matoa milaza hoe: \u2018Marina noho Andriamanitra aho\u2019?",
        "3": "Fa hoy ianao: \u2018Raharahianao inona moa na manao ny marina aza aho? Misy tombony azoko angaha raha tsy manota aho?\u2019",
        "4": "Izaho no hamaly anao Sy ny namanao.",
        "5": "Mitrak\u00e0 dia jereo ny lanitra, Ary diniho ny rahona avo be eo amboninao.",
        "6": "Raha manota ianao, dia ho voa mafy ve Andriamanitra? Mampaninona azy moa raha im-be dia be mandika lal\u00e0na ianao?",
        "7": "Raha manao ny marina ianao, dia inona no omenao azy amin\u2019izany; Inona no azony avy aminao?",
        "8": "Olona hoatr\u2019anao ihany no voa amin\u2019ny ratsy ataonao, Ary ny zanak\u2019olombelona ihany no mandray soa raha manao ny marina ianao.",
        "9": "Mitaraina ny vahoaka rehefa misy mampijaly; Miantso vonjy izy mba hafahana amin\u2019ny tsindry hazo lena ataon\u2019ny olona mahery.",
        "10": "Tsy misy milaza anefa hoe: \u2018Aiza Andriamanitra, ilay Be Voninahitra Mpanao ahy, Dia ilay mahatonga ny olona hihira amin\u2019ny alina?\u2019",
        "11": "Mampianatra antsika hahay noho ny biby et\u1ef3 an-tany izy, Ary mahatonga antsika ho hendry noho ny vorona eny amin\u2019ny lanitra.",
        "12": "Mitaraina ny vahoaka, nefa tsy mamaly izy, Satria mirehareha ny ratsy fanahy.",
        "13": "Azo antoka fa tsy henoin\u2019Andriamanitra ny fitarainana tsy misy dikany; Tsy miraharaha an\u2019izany ilay Mahery Indrindra.",
        "14": "Koa mainka fa rehefa mitaraina ianao hoe tsy mahita azy! Eo anatrehany ny adinao eny amin\u2019ny fitsarana, ka tokony hiandry azy fatratra ianao.",
        "15": "Fa tsy tezitra taminao izy ary tsy nanasazy anao, Na nanamarika hoe maimaika loatra ianao.",
        "16": "Misoka-bava hiteniteny foana i Joba; Miteniteny be izy, nefa tsy mahalala na inona na inona akory.\u201d"
    },
    "36": {
        "1": "Hoy ihany i Eliho:",
        "2": "\u201cMahareta kely amiko fa hanazava aho. Mbola misy teny asain\u2019Andriamanitra lazaiko mantsy.",
        "3": "Holazaiko daholo izay fantatro, Ary hambarako fa manao ny rariny ilay Mpanao ahy.",
        "4": "Tena tsy diso mihitsy ny teniko; Eto anatrehanao Ilay fara tampony amin\u2019ny fahalalana.",
        "5": "Mahery tokoa Andriamanitra, ary tsy manilikilika na iza na iza; Faran\u2019izay mahira-tsaina izy.",
        "6": "Tsy hotsimbininy ny ain\u2019ny ratsy fanahy, Fa omeny rariny kosa ny olona mijaly.",
        "7": "Tsy miala eny amin\u2019ny olo-marina ny masony; Apetrany eo amin\u2019ny seza fiandrianana miaraka amin\u2019ny mpanjaka izy ireo, ka misandratra mandrakizay.",
        "8": "Raha voagejan\u2019ny gadra vy anefa izy ireo Ka voafatotry ny fahoriana,",
        "9": "Dia ampahafantarin\u2019Andriamanitra azy ireo izay nataony, Izany hoe ny nandikany lal\u00e0na noho izy ireo nirehareha.",
        "10": "Sokafany ny sofin\u2019izy ireo mba hihaino fanitsiana, Ka teneniny izy ireo mba hiala amin\u2019ny fanao ratsy.",
        "11": "Raha mankat\u00f2 sy manompo azy izy ireo, Dia hiadana mandritra ny androm-piainany, Ary hahafinaritra ny taona hiainany.",
        "12": "Raha tsy mankat\u00f2 kosa izy ireo, dia ho fatin\u2019ny sabatra Ka ho faty tsy manam-pahalalana.",
        "13": "Hitana lolompo ny olona tsy matahotra an\u2019Andriamanitra. Tsy miantso vonjy izy ireo na dia fatorany aza.",
        "14": "Maty tanora izy ireo. Lany niarahana tamin\u2019ireo lehilahy mpivaro-tenan\u2019ny tempoly ny fiainany.",
        "15": "Mamonjy an\u2019izay mijaly kosa Andriamanitra mandritra ny fahorian\u2019izy ireo; Sokafany ny sofin\u2019izy ireo mba hihaino azy rehefa misy mampahory azy ireo.",
        "16": "Sintoniny hiala eo am-pototry ny fahoriana ianao Ka entiny any amin\u2019ny toerana malalaka tsy misy maneritery, Ary sakafo matsiro sady tondraka no eo ambony latabatrao ho fampiononana anao.",
        "17": "Dia ho afa-po ianao rehefa voaheloka ny ratsy fanahy, Rehefa mivoaka ny didim-pitsarana ary ampiharina ny rariny.",
        "18": "Mitandrema anefa sao lasa manao ratsy ianao noho ny hatezerana, Ary aza avela hitarika anao any amin\u2019ny lalan-diso ny tsolotra be dia\u00a0be.",
        "19": "Ny antso vonjy Na izay ezaka mafy ataonao ve dia hahatonga anao tsy ho tratran\u2019ny fahoriana?",
        "20": "Aza maniry ny hahatongavan\u2019ny alina, Izay tsy ahitana ny olona eo amin\u2019ny toerany.",
        "21": "Tandremo sao lasa manao ratsy, Ka aleonao izany toy izay fampahoriana.",
        "22": "Jereo fa misandratra Andriamanitra noho ny heriny; Iza no mba mpampianatra mitovy aminy?",
        "23": "Iza no efa nanoro lalana azy Na nilaza taminy hoe: \u2018Tsy mety ny nataonao\u2019?",
        "24": "Aza hadinoina ny mankalaza ny asany, Izay nataon\u2019ny olona hira.",
        "25": "Mahita an\u2019izany ny olombelona rehetra, Ary mitazana avy eny lavitra eny ny olombelona mety maty.",
        "26": "Lehibe tsy takatry ny saintsika tokoa Andriamanitra; Saro-takarina ny isan\u2019ny taonany.",
        "27": "Ampiakariny ireo piti-drano; Lasa zavona ireny, ka tonga orana;",
        "28": "Dia araraky ny rahona izany, Ka mirotsaka amin\u2019ny olombelona.",
        "29": "Iza no mahafantatra ny fivelaran\u2019ny rahona, Sy ny kotroka avy ao amin\u2019ny tranolainy?",
        "30": "Jereo fa aparitany eo ambonin\u2019izany ny tselatra, Ary saronany ny fanambanin\u2019ny ranomasina.",
        "31": "Ireny no amelomany ny firenena; Manome sakafo be dia be ho azy ireo izy.",
        "32": "Saronany amin\u2019ny tanany ny tselatra, Ka alefany hamely an\u2019izay kendreny.",
        "33": "Manambara ny momba azy ny kotroka; Na ny biby fiompy aza milaza hoe iza no ho avy."
    },
    "37": {
        "1": "\u201cKoa midobodoboka be ny foko, Sady mitepotepo mitady hiala amin\u2019ny toerany.",
        "2": "Henoy tsara ny feony miraondraona, Sy ny kotroka avoakan\u2019ny vavany.",
        "3": "Alefany ho et\u1ef3 ambanin\u2019ny lanitra rehetra izany, Ary ataony tonga hatrany amin\u2019ny faran\u2019ny tany ny tselatra.",
        "4": "Misy feo mirohondrohona aorian\u2019izany; Mampikotrokotroka ny feony matanjaka be izy, Ka tsy sakanany ny tselatra rehefa heno izany feony izany.",
        "5": "Mampikotrokotroka ny feony amin\u2019ny fomba mahatalanjona Andriamanitra; Manao zavatra miavaka tsy takatry ny saintsika izy.",
        "6": "Fa hoy izy amin\u2019ny lanezy: \u2018Milatsaha eny ambonin\u2019ny tany,\u2019 Ary hoy izy amin\u2019ny oram-be mivatravatra: \u2018Manaova be fiavy.\u2019",
        "7": "Atsahatr\u2019Andriamanitra ny asa rehetra ataon\u2019ny olona, Mba ho fantatry ny olombelona rehetra mety maty ny asany.",
        "8": "Miditra ao anaty lavaka fonenany ny bibidia, Ary mijanona ao amin\u2019ny toerana ipetrahany.",
        "9": "Mitsoka avy any amin\u2019ny efitrano misy azy ny tafio-drivotra, Ary entin\u2019ny rivotra avy any avaratra ny hatsiaka.",
        "10": "Ny fofonain\u2019Andriamanitra no mampisy ny ranomandry, Ka mivaingana ny rano midadasika.",
        "11": "Vesarany hamandoana ny rahona; Aparitany eny amin\u2019ny rahona ny tselatra;",
        "12": "Mihodinkodina eny amin\u2019izay asainy aleha ireny; Tanterahin\u2019ireny daholo izay asainy atao et\u1ef3 ambonin\u2019ny tany misy mponina.",
        "13": "Mampiasa an\u2019ireny izy rehefa manasazy na mandena ny tany, Na rehefa maneho fitiavana sy tsy fivadihana.",
        "14": "Henoy izao, ry Joba, Dia miatoa kely ary diniho tsara ny zavatra mahatalanjona nataon\u2019Andriamanitra:",
        "15": "Fantatrao ve hoe ahoana no ifehezan\u2019Andriamanitra ny rahona, Ary ahoana no ataony mba hahatonga ny tselatra hanazava eny amin\u2019ny rahona?",
        "16": "Fantatrao ve hoe ahoana no mahatonga ny rahona hihevaheva? Zavatra mahatalanjona nataon\u2019Ilay fara tampony amin\u2019ny fahalalana izany rehetra izany.",
        "17": "Nahoana no lasa mafana ny akanjonao Rehefa mangina ny tany noho ny rivotra avy any atsimo?",
        "18": "Ianao angaha afaka manampy azy hamelatra ny lanitra, Izay mafy toy ny fitaratra vita amin\u2019ny metaly?",
        "19": "Teneno anay izay tokony holazainay aminy; Tsy mahita havaly izahay satria ao anaty haizina.",
        "20": "Tokony holazaina aminy ve fa te hiteny aho? Sa nisy nilaza zavatra tokony horesahina aminy?",
        "21": "Tsy hitan\u2019ny olona hatramin\u2019ny hazavana, Na dia mamiratra eny amin\u2019ny lanitra aza izany, Raha tsy efa misy rivotra mandalo ka mampisava ny rahona.",
        "22": "Avy any avaratra no iavian\u2019ny taratra mivolombolamena; Faran\u2019izay mahavariana ny voninahitr\u2019Andriamanitra.",
        "23": "Tsy takatry ny saintsika ny momba an\u2019ilay Mahery Indrindra; Tena mahery izy, Tsy mba mamadika ny rariny mihitsy izy sady tena tia manao ny marina foana.",
        "24": "Koa tokony hatahotra azy ny olona, Satria tsy mankasitraka an\u2019izay mihevi-tena ho hendry izy.\u201d"
    },
    "38": {
        "1": "Dia namaly an\u2019i Joba avy tao anaty tafio-drivotra i Jehovah, ka niteny hoe:",
        "2": "\u201cIza moa izao manamaizina ny fikasako izao, Ka miresaka zavatra tsy fantany akory?",
        "3": "Miom\u00e0na, azafady, ary misehoa ho lehilahy; Hanontany anao aho, ka valio:",
        "4": "Taiza \u00e0ry ianao tamin\u2019izaho nanorina ny tany? Lazao ahy, raha mihevi-tena ho mahay ianao.",
        "5": "Iza no nametraka ny refiny, raha fantatrao? Ary iza no nanenjana ny tady nandrefesana azy?",
        "6": "Tao amin\u2019ny inona no nandatsahana ny fototry ny tany? Ary iza no nametraka ny vato fehizorony,",
        "7": "Rehefa nihorakoraka sy faly ireo kintan\u2019ny maraina, Ary nihoby daholo ny zanak\u2019Andriamanitra?",
        "8": "Iza no nanisy varavarana misakana ny ranomasina, Rehefa nibosesika nivoaka toy ny avy tao an-kibo izy,",
        "9": "Rehefa nampitafiako rahona izy, Ary haizim-pito no namonosako azy,",
        "10": "Rehefa nametraka fetra ho azy\u00a0aho Sady nanisy varavarana sy bara hidiny,",
        "11": "Ka nilaza hoe: \u2018Hatreto ihany no azonao aleha fa tsy mahazo mihoatra, Ary eto no hijanona ny onjanao misamboaravoara\u2019?",
        "12": "Efa mba nibaiko ny maraina ve ianao hatrizay niainanao, Na nanoro ny mangiran-dratsy hoe aiza no tokony hisy azy,",
        "13": "Amin\u2019izay izy hihazona ny faran\u2019ny tany, Ka hakopany hiala eo ny ratsy fanahy?",
        "14": "Miova endrika toy ny tanimanga asiana tombo-kase ny tany, Ary misongadina ny zava-drehetra eo aminy, hoatran\u2019ny soratsoratra amin\u2019ny akanjo.",
        "15": "Tsy omena hazavana kosa ny ratsy fanahy, Ary tapaka ny sandriny izay ningainy hamely olona.",
        "16": "Efa mba nidina tany amin\u2019ny loharanon\u2019ny ranomasina ve ianao, Sa efa nandehandeha nikaroka ny any anaty rano lalina?",
        "17": "Efa naseho anao ve ny vavahadin\u2019ny fahafatesana? Sa efa hitanao ny vavahadin\u2019ny haizina mikitroka?",
        "18": "Takatry ny sainao ve hoe midadasika be ny tany? Teneno amiko, raha hainao izany rehetra izany.",
        "19": "Aiza ny lalana mankany amin\u2019ny fonenan\u2019ny hazavana? Ary aiza ny toerana ipetrahan\u2019ny haizina,",
        "20": "Mba hitondranao an\u2019ireny any amin\u2019ny faritra misy azy, Sy mba hahafantaranao ny lalana mankany an-tranony?",
        "21": "Angaha moa izany efa fantatrao, satria hoe efa teraka ianao tamin\u2019izany Sady hoe efa ela niainana?",
        "22": "Efa niditra tao amin\u2019ny trano fitehirizana lanezy ve ianao? Sa ianao efa nahita ny trano fitehirizana havandra,",
        "23": "Izay tehiriziko ho amin\u2019ny fotoam-pahoriana, Ho amin\u2019ny andro anafihana sy iadiana?",
        "24": "Aiza ny lalana iparitahan\u2019ny hazavana, Ary avy aiza no manomboka mitsoka et\u1ef3 ambonin\u2019ny tany ny rivotra avy any atsinanana?",
        "25": "Iza no nanao lakandrano ho an\u2019ny tondra-drano, Sy lalana ho an\u2019ny rahon\u2019oram-baratra,",
        "26": "Mba hampilatsaka orana any amin\u2019ny tany tsy misy olona, Dia any an-tany efitra tsy misy mponina,",
        "27": "Sy mba hahavonto rano ny tany ngazana ravarava, Ka hampitsimoka ny ahitra?",
        "28": "Manan-dray ve ny orana? Sa iza no niteraka ny ranonando?",
        "29": "Kibon\u2019iza no nivoahan\u2019ny ranomandry? Ary iza no niteraka ny lanezy manify avy any an-danitra",
        "30": "Rehefa toy ny hoe saron\u2019ny vato ny rano, Ary mivaingana ny fanambonin\u2019ny rano lalina?",
        "31": "Mahafatotra ny tadin\u2019ny antokon-kintana Kimaha ve ianao, Na mahavaha ny tadin\u2019ny antokon-kintana Kesila?",
        "32": "Vitanao ve ny mamoaka antokon-kintana amin\u2019ny fotoanany, Na mitarika ny antokon-kintana Asha sy ny zanany?",
        "33": "Fantatrao ve ny lal\u00e0na mifehy ny lanitra, Ary vitanao ve ny manery ny tany hanaraka an\u2019izany?",
        "34": "Mahavita manandratra ny feonao hatreny amin\u2019ny rahona ve ianao, Mba hampisy tondra-drano hanafotra anao?",
        "35": "Mahay mandefa tselatra ve ianao? Ho tonga ve izy ireo ka hiteny aminao hoe: \u2018Ireto izahay!\u2019?",
        "36": "Iza no nametraka fahendrena tao amin\u2019ny rahona, Na nanome fahiratan-tsaina ny zava-mahagaga eny amin\u2019ny lanitra?",
        "37": "Iza no hendry ka mahavita manisa ny rahona, Na mahavita mampitongilana ny sinin-dranon\u2019ny lanitra,",
        "38": "Rehefa mitambatra ny vovoka ka lasa fotaka mikoriana, Ary mitambatambatra ny baingan-tany?",
        "39": "Mahavita mihaza ho an\u2019ny liona ve ianao, Na manao izay hahavoky liona tanora mirangorango,",
        "40": "Rehefa mamitsaka eo amin\u2019ny toerana ipetrahany izy, Na miafina ao amin\u2019ny lavaka fonenany mba hanafika?",
        "41": "Iza no manomana sakafo ho an\u2019ny goaika, Rehefa miantso vonjy amin\u2019Andriamanitra ny zanany, Ka mirenireny fa tsy manan-kohanina?"
    },
    "39": {
        "1": "\u201cFantatrao ve ny fotoana fiterahan\u2019ny osidia mpianika tendrombohitra? Efa nahita serfa niteraka ny zanany ve ianao?",
        "2": "Voaisanao ve hoe firy volana izy ireny no mitondra vohoka? Fantatrao ve ny fotoana fiterahany?",
        "3": "Mipetraka ambany izy ireny rehefa miteraka an\u2019ireo zanany, Ary mifarana hatreo ny fanaintainany.",
        "4": "Mihamatanjaka sy mihalehibe eny an-tsaha ny zanak\u2019izy ireny; Lasa izy ireo, ka tsy miverina eo aminy intsony.",
        "5": "Iza no nandefa ny ampondradia hikarenjy, Ary iza no namaha ny tadin\u2019ny ampondradia?",
        "6": "Efa nomeko ho tranony ny lemaka karakaina, Ary ho toeram-ponenany ny tanin-tsira.",
        "7": "Ihomehezany fotsiny ny tabataba ao an-tan\u00e0na, Ary tsy henony ny antsoantson\u2019ny mpandroaka biby.",
        "8": "Mitety an\u2019ireo havoana izy mitady vilona, Mitady an\u2019ity karazan-java-maitso rehetra ity.",
        "9": "Hanaiky hanompo anao ve ny ombidia? Hatory ao am-pahitra ao aminao ve izy?",
        "10": "Hahatazona ombidia amin\u2019ny tady mba hanao vava\u00a0asa ve ianao, Na hanaraka anao mba hiasa tany eny an-dohasaha ve izy?",
        "11": "Hatoky ny herin\u2019ny tanjany ve ianao, Ka havelanao hamita ny asa mafy ataonao izy?",
        "12": "Izy ve no hianteheranao hampiditra ny vokatrao, Sy hanangona an\u2019izany ho eo amin\u2019ny famoloanao?",
        "13": "Faly mikopakopaka elatra ny aotirisy, Nefa afaka mifampitaha amin\u2019ny an\u2019ny vanobe ve ny volon\u2019elany sy ny volony?",
        "14": "Fa ilaozany eo amin\u2019ny tany ny atodiny, Ary hafanainy ao anaty vovoka izany.",
        "15": "Hadinony hoe mety hisy tongotra hanosihosy an\u2019ireny, Na bibidia hanitsakitsaka an\u2019ireny.",
        "16": "Masiaka amin-janany izy, toy ny hoe tsy zanany ireny; Tsy mampaninona azy na dia mety ho very maina aza izay nisasarany.",
        "17": "Fa nesorin\u2019Andriamanitra taminy ny fahendrena, Ary tsy nataony mahira-tsaina izy.",
        "18": "Rehefa mitsangana sy manakopakopaka elatra anefa izy, Dia ihomehezany fotsiny ny soavaly sy ny mpitaingina azy.",
        "19": "Ianao ve no manome hery ny soavaly, Sy manarona ny hatony amin\u2019ny volo mihofahofa?",
        "20": "Mahay mampitsambikina azy toy ny valala ve ianao? Mampihoron-koditra ny maheno azy miefonefona be.",
        "21": "Mampikatrokatroka ny kitrony amin\u2019ny tany, eny amin\u2019ny lohasaha, izy ary mientanentana er\u1ef3 noho ny heriny; Mandroso hiatrika ady izy.",
        "22": "Ihomehezany fotsiny ny tahotra, ary tsy misy na inona na inona atahorany. Tsy mitsoaka izy manoloana ny sabatra.",
        "23": "Midona aminy ny tranon-jana-tsip\u00ecka ka mikorintsana, Ary manjelanjelatra ny lefona sy ny lefom-pohy.",
        "24": "Mientanentana be izy, ka miriotra mafy mandroso, Tsy mahatombina izy rehefa mahare feon\u2019anjombona.",
        "25": "Vonona avy hatrany izy ka mikiakiaka, rehefa maneno ny anjombona. Raha mbola lavitra izy dia mandre ny fofon\u2019ady Sy ny horakoraky ny mpitari-tafika ary ny hiakan\u2019ady.",
        "26": "Ny fahiratan-tsainao ve no mahatonga ny hitsikitsika lehibe hisidina avo, Ka mamelatra ny elany mianatsimo?",
        "27": "Sa ny baiko omenao no mahatonga ny voromahery hanidina ambony, Sy hanorina ny akaniny eny amin\u2019ny avo?",
        "28": "Matory eny amin\u2019ny harambato izy, Ary manorim-ponenana eny amin\u2019ny toerana azo antoka, eny amin\u2019ny vatolampy.",
        "29": "Avy eny izy no mitady sakafo; Mahatazan-davitra ny masony.",
        "30": "Mitsentsitra ra ny zanany; Ary na aiza na aiza misy faty, dia any izy.\u201d"
    },
    "40": {
        "1": "Mbola namaly an\u2019i Joba ihany i Jehovah hoe:",
        "2": "\u201cTokony hisy mpanakiana hifandahatra amin\u2019ilay Mahery Indrindra ve? Aoka hamaly ilay te hananatra an\u2019Andriamanitra.\u201d",
        "3": "Dia namaly an\u2019i Jehovah i Joba hoe:",
        "4": "\u201cTsinontsinona aho, Ka inona no azoko avaly anao? Tampenako ny vavako.",
        "5": "Efa niteny indray mandeha aho, nefa tsy hamaly intsony, Indroa mihitsy aza, nefa tsy hiteny intsony.\u201d",
        "6": "Dia namaly an\u2019i Joba avy tao anaty tafio-drivotra i Jehovah, ka niteny hoe:",
        "7": "\u201cMiom\u00e0na, azafady, ary misehoa ho lehilahy; Hanontany anao aho, ka valio:",
        "8": "Hisalasala ve ianao hoe manao ny rariny tokoa aho? Homelohinao ve aho mba hahamarina anao?",
        "9": "Matanjaka toy ny sandrin\u2019ilay tena Andriamanitra ve ny anao, Sa mahavita mampikotrokotroka ny feonao ho tahaka ny azy ianao?",
        "10": "Aoka ianao, azafady, hiravaka voninahitra sy fahalehibeazana; Mitafia haja amam-boninahitra.",
        "11": "Avoahy daholo ny fahatezeranao; Jereo izay rehetra manambony tena ka ataovy lasa ambany.",
        "12": "Jereo izay manambony tena ka ataovy izay hahafa-baraka azy, Ary hitsakitsaho eo amin\u2019izay misy azy ny ratsy fanahy.",
        "13": "Asitriho ao amin\u2019ny vovoka izy rehetra; Afatory ao amin\u2019ny toerana miafina izy ireo,",
        "14": "Dia izaho mihitsy no hiaiky amin\u2019izay Hoe mahavonjy anao ny tananao havanana.",
        "15": "Jereo ny Behemota, fa samy nataoko na izy na ianao. Mihinana ahitra hoatran\u2019ny omby izy.",
        "16": "Jereo fa matanjaka be ny tehezany Ary mafy be ny hoza-kibony!",
        "17": "Henjaniny ny rambony ka hoatran\u2019ny hazo sedera; Mifampidipiditra ny hoza-peny.",
        "18": "Toy ny fantsona varahina ny taolany, Ary toy ny bara\u00a0vy ny rantsambatany.",
        "19": "Anisan\u2019ny voalohany amin\u2019ny asan\u2019Andriamanitra izy; Ny Mpanao azy ihany no mahavita manatona azy mba hamely azy amin\u2019ny sabatra.",
        "20": "Mamokatra sakafo hohaniny ny tendrombohitra, Eny amin\u2019izay ilalaovan\u2019ny bibidia rehetra.",
        "21": "Matory eny ambany kirihitra feno tsilo izy, Eny ambany alokaloky ny bararata eny amin\u2019ny honahona.",
        "22": "Manalokaloka azy ny kirihitra feno tsilo, Ary manodidina azy ny hazo aravaha eny amin\u2019ny lohasaha.",
        "23": "Tsy matahotra izy, na dia mahery be aza ny renirano. Matoky tena izy, na dia mitosaka mankeo am-bavany aza ny Reniranon\u2019i Jordana.",
        "24": "Misy mahasambotra azy ve raha mbola mailomailo izy, Sa misy mahavita mandoaka ny orony amin\u2019ny faraingo?"
    },
    "41": {
        "1": "\u201cMahasambotra Leviatana amin\u2019ny lelam-pintana ve ianao, Sa mahafatotra ny lelany amin\u2019ny tady?",
        "2": "Mahavita manisy tady eo amin\u2019ny vavorony ve ianao, Na managorobaka ny valanoranony amin\u2019ny faraingo?",
        "3": "Hitalaholaho imbetsaka aminao ve izy, Sa hanao teny malefaka aminao?",
        "4": "Hanao fifanekena aminao ve izy, Mba hataonao mpanompo mandrakizay?",
        "5": "Hilalao azy tahaka ny filalao vorona ve ianao, Sa hamatotra azy holalaovin\u2019ny zanakao vavikely?",
        "6": "Hanakalo azy amin-javatra hafa ve ny mpivarotra? Hifampizara azy amin\u2019ny mpivarotra hafa ve izy ireo?",
        "7": "Ho vitanao ve ny hanatsatoka vy maranitra be dia be eny amin\u2019ny hodiny, Na ny hanatrobaka ny lohany amin\u2019ny lefona fihazana trondro?",
        "8": "Kasiho amin\u2019ny tananao ange izy\u00a0e! Dia hotsaroanao tsara ilay ady nataonao taminy, ka tsy hamerina intsony ianao!",
        "9": "Ho diso fanantenana izay mitady hamolaka azy. Vao mahita azy fotsiny ianao dia efa tsy mahahetsika.",
        "10": "Tsy misy sahy mila ady aminy. Koa iza no hahavita hanohitra ahy?",
        "11": "Iza no nanome ahy, ka tokony homeko valisoa koa avy eo? Fa ahy daholo izay rehetra eny ambanin\u2019ny lanitra.",
        "12": "Tsy hangina aho fa hiresaka momba ny rantsambatany, Sy ny heriny ary ny hakanton\u2019ny firafitry ny vatany.",
        "13": "Iza no mahavita manala ny fitafiany ivelany? Iza no ho sahy hiditra eo anelanelan\u2019ny valanoranony?",
        "14": "Iza no mahasokatra ny vavany? Mampihoron-koditra ny nifiny.",
        "15": "Misy kirany mitandahatra ny lamosiny, Ary miraikitra mafy toy ny nasiana tombo-kase izy ireny.",
        "16": "Mifanetinety tsara ireny, Ka tsy tafiditry ny rivotra eny anelanelany.",
        "17": "Mifampipetaka tsara ireny; Ary mifamikitra ka tsy voasaraka.",
        "18": "Mampitselatra hazavana izy isaky ny mievina, Ary ny masony dia toy ny taratry ny maraina vao mangiran-dratsy.",
        "19": "Misy tselatra mivoaka avy amin\u2019ny vavany, Misy tselatr\u2019afo mipitipitika.",
        "20": "Mamoaka setroka ny vavorony, Toy ny fatana mirehitra asiana harefo.",
        "21": "Mampiredareda vainafo ny fofonainy, Ary misy lelafo mivoaka avy amin\u2019ny vavany.",
        "22": "Matanjaka be ny vozony, Ary mihazakazaka eo anoloany ny horohoro.",
        "23": "Mifampiraikitra tsara ny nofony mivalombalona; Mafy be toy ny metaly narendrika izay nararaka teo aminy izany, ka tsy azo endahina.",
        "24": "Mafy toy ny vato ny fony, Eny, mafy toy ny vato ambany amin\u2019ny vato fikosoham-bary.",
        "25": "Rehefa mitsangana izy, dia mihorohoro na dia ny mahery aza; Mampahatahotra ilay izy mihetsiketsika be iny!",
        "26": "Tsy maharesy azy izay sabatra mahavoa azy, Ary toy izany koa na ny lefona, na ny zana-tsip\u00ecka kely, na ny lohan-jana-tsip\u00ecka.",
        "27": "Aminy dia toy ny mololo ny\u00a0vy, Ary toy ny hazo lo ny varahina.",
        "28": "Tsy mampandositra azy ny zana-tsip\u00ecka. Lasa toy ny mololo ny vatom-pilotra mahavoa azy.",
        "29": "Aminy dia toy ny mololo ny kibay, Ary ihomehezany fotsiny ny feon\u2019ny lefom-pohy ahetsiketsika.",
        "30": "Maranitra toy ny vakim-bilany tany ny kibony; Ary mivalampatra ao anaty fotaka izy, toy ny hoe mamelatra fitaovana fanosihosena varimbazaha.",
        "31": "Ataony mangotrakotraka toy ny ao am-bilany ny rano lalina, Ary ny ranomasina dia ataony mandroadroatra toy ny ao anaty vilany fanaovana menaka fanosorana.",
        "32": "Mamela soritra mamirapiratra izy rehefa mandalo, Ka hoatran\u2019ny hoe misy volo fotsy ny rano lalina.",
        "33": "Tsy misy toa azy eny ambonin\u2019ny tany, Fa noforonina tsy hanan-tahotra izy.",
        "34": "Ivandravandrany daholo izay mirehareha. Izy no mpanjakan\u2019ny bibidia matanjaka rehetra.\u201d"
    },
    "42": {
        "1": "Dia namaly an\u2019i Jehovah i Joba hoe:",
        "2": "\u201cFantatro izao fa mahay manao ny zava-drehetra ianao, Ary tsy misy tsy vitanao izay rehetra eritreretinao hatao.",
        "3": "Niteny ianao hoe: \u2018Iza moa izao manamaizina ny fikasako izao, nefa tsy mahafantatra na inona na inona akory?\u2019 Koa niteny aho, nefa tsy takatry ny saiko akory Ireo zavatra mahagaga ahy loatra, izay tsy fantatro.",
        "4": "Nilaza koa ianao hoe: \u2018Mihainoa, azafady, fa hiteny aho. Hanontany anao aho, ka valio.\u2019",
        "5": "Efa naheno momba anao aho, Fa izao kosa dia ny masoko mihitsy no mahita anao.",
        "6": "Noho izany dia tsoahako ny teniko, Ary mibebaka eto amin\u2019ny vovoka sy ny lavenona aho.\u201d",
        "7": "Rehefa tapitra ny tenin\u2019i Jehovah tamin\u2019i Joba, dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Elifaza Temanita: \u201cTezitra be aminao sy ny namanao roa lahy aho, satria tsy nilaza ny marina momba ahy ianareo, tsy mba hoatran\u2019i Joba mpanompoko.",
        "8": "Koa mak\u00e0 ombilahy fito sy ondrilahy fito, ka mankanesa any amin\u2019i Joba mpanompoko, ary manolora fanatitra dorana noho ny fahotanareo. Dia hivavaka ho anareo i Joba mpanompoko. Hohenoiko tokoa ilay fangatahany hoe mba tsy hovaliako araka ny hadalanareo ianareo. Tsy nilaza ny marina momba ahy mantsy ianareo, tsy mba hoatran\u2019i Joba mpanompoko.\u201d",
        "9": "Koa lasa i Elifaza Temanita sy Bildada Sohita ary Zofara Namatita nanao an\u2019izay nasain\u2019i Jehovah nataon\u2019izy ireo. Dia nohenoin\u2019i Jehovah ny vavak\u2019i Joba.",
        "10": "Nofaranan\u2019i Jehovah ny fahorian\u2019i Joba ary nataony lasa nanan-karena indray izy, rehefa avy nivavaka ho an\u2019ireo namany. Nomen\u2019i Jehovah avo roa heny noho izay nananany taloha izy.",
        "11": "Ary tonga namangy azy daholo ny rahalahiny sy ny anabaviny ary ny namany taloha, dia niara-nisakafo taminy tao an-tranony. Dia niara-niory taminy sy nampionona azy izy ireo, noho ny loza rehetra navelan\u2019i Jehovah hanjo azy. Ary samy nanome azy kesita sy kavina volamena izy ireo.",
        "12": "Koa notahin\u2019i Jehovah ireo taona faramparany niainan\u2019i Joba, mihoatra noho ny tamin\u2019ny voalohany. Dia nanjary nanana ondry 14\u00a0000, sy rameva 6\u00a0000, sy omby 2\u00a0000 ary ampondravavy 1\u00a0000 izy.",
        "13": "Ary lasa nanana zanakalahy fito sy zanakavavy telo hafa koa izy.",
        "14": "Dia nataony hoe Jemima ny anaran\u2019ny zanany vavy voalohany, Kezia ny faharoa, ary Kerena-hapoka ny fahatelo.",
        "15": "Tsy nisy vehivavy tsara tarehy hoatran\u2019ny zanakavavin\u2019i Joba tao amin\u2019ilay tany manontolo. Ary nomen-drainy lova niaraka tamin\u2019ny anadahiny izy ireo.",
        "16": "Taorian\u2019izany, dia mbola velona 140\u00a0taona i Joba ka nahita ny zanany sy ny zafikeliny, hatramin\u2019ny taranaka fahefatra.",
        "17": "Dia maty i Joba rehefa ela niainana sy afa-po."
    },
    "meta": {
        "name": "Joba",
        "order": 17,
        "chapter_number": 42
    }
}