mg-bibles
Version:
A package for accessing Bible verses in Malagasy (MG), Diem, King James (KJV), and Louis Segond (APEE) versions
1,476 lines • 297 kB
JSON
{
"1": {
"1": "Voasoratra ato ny tenin\u2019i Jeremia zanak\u2019i Hilkia, anisan\u2019ny mpisorona tao Anatota, tany amin\u2019ny tanin\u2019i Benjamina.",
"2": "Nampita ny teniny tamin\u2019i Jeremia i Jehovah tamin\u2019ny andron\u2019i Josia zanak\u2019i Amona, mpanjakan\u2019ny Joda, tamin\u2019ny taona faha-13 nanjakany.",
"3": "Nampitaina taminy koa izany tamin\u2019ny andron\u2019i Joiakima zanak\u2019i Josia, mpanjakan\u2019ny Joda, mandra-pahatapitry ny taona faha-11 nanjakan\u2019i Zedekia zanak\u2019i Josia, mpanjakan\u2019ny Joda, mandra-panao sesitany ny mponin\u2019i Jerosalema tamin\u2019ny volana fahadimy.",
"4": "Niteny tamiko i Jehovah hoe:",
"5": "\u201cEfa fantatro ianao talohan\u2019ny namoronako anao tao an-kibo, Ary efa nohamasiniko ianao talohan\u2019ny nahaterahanao. Notendreko ho mpaminany ho an\u2019ireo firenena ianao.\u201d",
"6": "Hoy anefa aho: \u201cIndrisy, ry Jehovah Tompo Fara Tampony\u00a0\u00f4! Tsy mahay mandaha-teny aho fa mbola zaza.\u201d",
"7": "Fa hoy i Jehovah tamiko: \u201cAza miteny hoe: \u2018Mbola zaza aho.\u2019 Fa tsy maintsy mandeha any amin\u2019izay rehetra anirahako anao ianao, Ary hiteny an\u2019izay rehetra asaiko lazainao.",
"8": "Aza matahotra azy, Fa \u2018ho eo foana aho mba hamonjy anao\u2019, hoy i Jehovah.\u201d",
"9": "Natsotran\u2019i Jehovah ny tanany avy eo, dia nokasihiny ny vavako. Ary hoy i Jehovah: \u201cEfa nataoko ao am-bavanao ny teniko.",
"10": "Ary omeko fahefana amin\u2019ireo firenena sy fanjakana ianao androany, mba hanongotra sy handrodana, handringana sy handrava, ary hanorina sy hamboly.\u201d",
"11": "Niteny tamiko indray i Jehovah hoe: \u201cInona no hitanao, ry\u00a0Jeremia?\u201d Dia hoy aho: \u201cMahita sampana hazo amandie aho.\u201d",
"12": "Ary hoy i Jehovah tamiko: \u201cMarina izany! Mifoha tsara mihitsy aho mba hanatanteraka ny teniko.\u201d",
"13": "Niteny tamiko fanindroany i Jehovah hoe: \u201cInona no hitanao?\u201d Dia hoy aho: \u201cMahita vilany mangotraka aho. Mitodika mianavaratra ny vodin\u2019ilay vilany, ka mitongilana mianatsimo ny vavany.\u201d",
"14": "Dia hoy i Jehovah tamiko: \u201cAvy any avaratra no hiavian\u2019ny loza Hamely ny mponina rehetra ao amin\u2019ilay tany.",
"15": "Fa \u2018hiantso ny foko rehetra ao amin\u2019ireo fanjakana any avaratra aho\u2019, hoy i Jehovah. \u2018Dia ho avy izy ireo, ka samy hametraka ny seza fiandrianany Eo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny vavahadin\u2019i Jerosalema. Hamely ny mandany rehetra manodidina Sy ny tan\u00e0na rehetra any Joda izy ireo.",
"16": "Hamoaka didy hanamelohana ny vahoakako aho noho ny ratsy rehetra ataony. Niala tamiko mantsy izy ireo, Ary mandoro fanatitra mba hidona-tsetroka ho an\u2019ny andriamani-kafa. Miankohoka amin\u2019ny asan\u2019ny tanany koa izy ireo.\u2019",
"17": "\u201cFa ianao kosa miom\u00e0na hanao zavatra, Ary mitsang\u00e0na ka teneno amin\u2019izy ireo izay rehetra asaiko lazainao. Aza matahotra be azy ireo, Sao ianao indray no hataoko matahotra\u00a0be eo anatrehany.",
"18": "Fa ataoko toy ny tan\u00e0na voaro mafy ianao androany, Ary ataoko toy ny andry\u00a0vy sy manda varahina mba ho vitanao ny hiatrika an\u2019ilay tany manontolo, Dia ireo mpanjakan\u2019ny Joda, sy ny andrianany, Sy ny mpisorony, ary ny vahoakany.",
"19": "Tsy maintsy hiady aminao izy ireo, Nefa tsy haharesy anao, Satria \u2018ho eo foana aho mba hamonjy anao\u2019, hoy i\u00a0Jehovah.\u201d"
},
"2": {
"1": "Niteny tamiko i Jehovah hoe:",
"2": "\u201cMandehana ambarao ao Jerosalema hoe: \u2018Izao no lazain\u2019i Jehovah: \u201cTsaroako tsara fa niraiki-po tamiko ianao tamin\u2019ianao mbola tanora! Tsaroako koa ny fitiavanao ahy tamin\u2019ianao mbola fofombadiko, Ary ny nanarahanao ahy tany an-tany efitra, Tany amin\u2019ny tany tsy namafazana voa!",
"3": "Masina teo anatrehan\u2019i Jehovah ny Israely tamin\u2019izany, sady voaloham-bokatra novokariny.\u201d\u2019 \u2018Meloka izay olona nandrapaka azy, Ka loza no nanjo azy ireny\u2019, hoy i Jehovah.\u201d",
"4": "Henoy ny tenin\u2019i Jehovah, ry\u00a0taranak\u2019i Jakoba, Sy ianareo rehetra fokon\u2019ny taranak\u2019i Israely.",
"5": "Izao no lazain\u2019i Jehovah: \u201cFa dia inona loatra no tsy nety nataoko hitan\u2019ny razambenareo No dia nanalavitra\u00a0be ahy hoatr\u2019izao izy ireo, Ary nanaraka sampy tsy misy dikany, ka lasa tsy misy dikany koa?",
"6": "Tsy mba nanontany akory izy ireo hoe: \u2018Aiza i Jehovah, Ilay nitondra antsika niakatra avy tany Ejipta, Ilay nitarika antsika namakivaky tany efitra Sy tany karakaina feno lavaka, Dia tany maina sy maizim-pito, Sy tsy misy mpandalo, Ary tsy misy mponina?\u2019",
"7": "Dia nentiko tany amin\u2019ny tany feno saham-boankazo ianareo, Mba hihinana ny vokatra sy ny zava-tsoa tao aminy. Rehefa tafiditra tao anefa ianareo, dia nolotoinareo ny taniko. Lasa zava-maharikoriko ny lovako noho ny nataonareo.",
"8": "Tsy mba nanontany akory ny mpisorona hoe: \u2018Aiza i Jehovah?\u2019 Na ireo mpampianatra Lal\u00e0na aza tsy nahalala ahy. Nikomy tamiko ireo mpiandry. Naminany tamin\u2019ny anaran\u2019i Bala ireo mpaminany Sady nanaraka an\u2019izay tsy mahasoa.",
"9": "\u2018Koa mbola hanameloka anareo aho\u2019, hoy i Jehovah, \u2018Ary hanameloka ny zanaky ny zanakareo.\u2019",
"10": "\u2018Fa mankanesa any amin\u2019ny morontsiraky ny Kitima, ka jereo. Maniraha olona ho any Kedara, ka diniho tsara, Dia jereo raha mba efa nitranga ny zavatra hoatr\u2019izao.",
"11": "Efa nisy firenena nanolo ny andriamaniny tamin\u2019izay tsy andriamanitra\u00a0ve? Ny vahoakako anefa nanakalo ny voninahitro tamin\u2019izay tsy misy ilana azy.",
"12": "Aoka ho gaga ianareo, ry\u00a0lanitra, rehefa mahita an\u2019izany. Aoka hangovitra ianareo satria mihorohoro mafy\u2019, hoy i Jehovah.",
"13": "\u2018Zava-dratsy roa mantsy no nataon\u2019ny vahoakako: Niala tamiko, ilay loharanon\u2019ny rano\u00a0velona,\u00a0izy Ary nihady lavaka fanangonan-drano ho an\u2019ny tenany, Dia lavaka misy triatra sy tsy mahatana rano.\u2019",
"14": "\u2018Mpanompo ve ny Israely sa andevo teraka tao an-trano? Koa nahoana izy no voaroba?",
"15": "Mierona aminy ireo liona tanora; Mierona mafy izy ireo. Nataon\u2019izy ireo nihorohoro ny olona nahita an\u2019izay nanjo ny tanin\u2019ny Israely. Nodorana ireo tan\u00e0nany ka tsy misy mponina.",
"16": "Mitsentsitra anao ny mponin\u2019i Nofa sy Tapanesa, ka ataony sola ny tampon-dohanao.",
"17": "Tsy ianao ihany ve no nahatonga anao hiharan\u2019izany, Noho ianao niala tamin\u2019i Jehovah Andriamanitrao, Tamin\u2019izy nitarika anao teny an-dalana?",
"18": "Fa maninona ianao izao no te ho any amin\u2019ny lalana mankany Ejipta Mba hisotro ny ranon\u2019i Sihora? Ary maninona ianao no te ho any amin\u2019ny lalana mankany Asyria Mba hisotro ny ranon\u2019ilay Renirano?",
"19": "Tokony hanitsy anao ny ratsy nataonao, Ary tokony ho anatra ho anao ny nivadihanao. Fantaro sy ekeo fa ratsy sady mangidy Ny miala amin\u2019i Jehovah Andriamanitrao. Tsy mba natahotra ahy ianao\u2019, hoy i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, ilay Tompo Fara Tampony.",
"20": "\u2018Fa efa hatry ny ela no nopotipotehiko ny zioganao, Ary notapahiko izay namatotra anao. Hoy anefa ianao: \u201cTsy hanompo anao aho.\u201d Teny amin\u2019ny havoana rehetra sy teny ambanin\u2019ny hazo midoroboka rehetra mantsy ianao No nitsilailay nivaro-tena.",
"21": "Voaloboka mena faran\u2019izay tsara avy amin\u2019ny karazam-boa tena izy ianao, tamin\u2019ianao namboleko. Koa nahoana ianao no lasa sampana voalobokadia sady voaloboka ratsy teo anatrehako?\u2019",
"22": "\u2018Na dia hisasa amin\u2019ny karibonetra sy savony be dia\u00a0be aza ianao, Dia mbola ho toy ny tasy eo anatrehako ihany ny helokao\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.",
"23": "Ahoana no ilazanao hoe: \u2018Tsy nandoto ny tenako aho, Ary tsy nanaraka an\u2019ireo Bala\u2019? Mba diniho ny anton-dianao tany an-dohasaha, Ary eritrereto izay nataonao. Hoatran\u2019ny ramevavavy tanora haingam-pandeha ianao, Izay mihazakazaka etsy sy eroa fotsiny.",
"24": "Hoatran\u2019ny ampondradia zatra ny any an-tany efitra ianao, Izay manimbolo rivotra satria mahery ny filana ao aminy. Iza no mahatana azy rehefa mitady lahy izy? Tsy mila mandrera-tena izay rehetra mitady azy, Fa hahita azy rehefa tonga ny fotoana itadiavany lahy.",
"25": "Mitandrema sao tsy hisy kapa intsony eny an-tongotrao Ary hangetaheta ny tendanao. Hoy anefa ianao: \u2018Aza manantena an\u2019izany! Fa efa raiki-pitia amin\u2019ny vahiny aho, Ka hanaraka an-dry zareo.\u2019",
"26": "Hoatran\u2019ny mpangalatra menatra rehefa tratra, Dia hoatr\u2019izany koa ny taranak\u2019Israely. Menatra izy ireo, sy ny mpanjakany, sy ny andrianany, Ary ny mpisorony sy ny mpaminaniny.",
"27": "Hoy izy ireo amin\u2019ny hazo: \u2018Ianao no raiko\u2019, Ary amin\u2019ny vato: \u2018Ianao no niteraka ahy.\u2019 Fa izaho kosa nomeny lamosina, fa tsy nanatrika ahy izy ireo. Rehefa tonga anefa ny fotoana hiavian\u2019ny loza, dia hilaza izy ireo hoe: \u2018Mitsang\u00e0na ka vonjeo izahay!\u2019",
"28": "Aiza izao ireo andriamanitra nataonareo? Aoka ireny no hitsangana raha mahavonjy anareo amin\u2019ny fotoana hiavian\u2019ny loza. Fa lasa be dia be hoatran\u2019ny tan\u00e0nanareo ny andriamanitrareo, ry\u00a0Joda\u00a0\u00f4!",
"29": "\u2018Maninona ianareo no miampanga ahy foana? Maninona ianareo rehetra no mikomy amiko?\u2019, hoy i Jehovah.",
"30": "Very maina ny nanasaziako ny zanakareo. Tsy nanaiky nanarina izy ireo. Ny sabatrareo ihany no nandripaka ny mpaminaninareo, Hoatran\u2019ny liona mitady haza.",
"31": "Ry taranaka isany, diniho ny tenin\u2019i Jehovah. Lasa toy ny tany efitra ve aho ho an\u2019ny Israely, Sa toy ny tany ao anaty haizina mampahatahotra\u00a0be? Nahoana ny vahoakako no miteny hoe: \u2018Afaka mandeha any amin\u2019izay tianay izahay, Ka tsy hiverina aminao intsony\u2019?",
"32": "Misy virjiny manadino ny firavany\u00a0ve, Na vehivavy ampakarina manadino ny fehikibony? Ny vahoakako anefa nanadino ahy nandritra ny andro maro tsy voaisa.",
"33": "Vehivavy tena mahay ianao raha hitady fitia! Nozarinao hanao ratsy ny tenanao.",
"34": "Na ny akanjonao aza tasin\u2019ny ran\u2019ireo olo-mahantra tsy manan-tsiny, Nefa tsy hitako namaky ny tranonao izy ireo. Feno ny rany ny akanjonao.",
"35": "Hoy anefa ianao: \u2018Tsy manan-tsiny aho, Ka azo antoka fa tsy ho tezitra amiko intsony izy.\u2019 Hampihatra ny didim-pitsarako aminao tokoa anefa aho izao, Noho ianao nilaza hoe: \u2018Tsy nanota aho.\u2019",
"36": "Miovaova be ianao, nefa maninona izany no hamaivaninao fotsiny? Ho menatra koa ianao noho ny amin\u2019i Ejipta, Hoatran\u2019ny nahamenatra anao noho ny amin\u2019i Asyria.",
"37": "Koa hivoaka hiloloha tanana ianao, Satria nolavin\u2019i Jehovah ireo nitokisanao. Tsy ho vitan\u2019izy ireo ny hamonjy anao.\u201d"
},
"3": {
"1": "Misy manontany hoe: \u201cMahazo miverina amin\u2019ny vadiny indray ve ny lehilahy raha efa noroahiny ilay vehivavy, ka nandao azy ary lasa vadin\u2019olon-kafa?\u201d Tsy efa voaloto tanteraka ve izany tany izany? \u201cEfa nivaro-tena tamin\u2019olona maro ve ianao, Dia hiverina amiko indray izao?\u201d, hoy i Jehovah.",
"2": "\u201cTazano ireo havoana mangadihady ka jereo. Taiza ny toerana mbola tsy nametavetana anao? Nipetraka niandry azy ireo teny amoron-dalana ianao, Hoatran\u2019ny mpifindrafindra monina any an-tany efitra. Lotoinao foana ilay tany, Noho ianao mivaro-tena sy manao zava-dratsy.",
"3": "Voasakana tsy hilatsaka \u00e0ry ny oram-be, Ary tsy misy ny oran-dohataona. Tsy misy henatra ny fijerinao, hoatran\u2019ny an\u2019ny vehivavy manambady nefa mivaro-tena. Tsy mety miaiky ianao hoe mahamenatra ny ataonao.",
"4": "Izao anefa ianao miantsoantso ahy hoe: \u2018Ry Raiko\u00a0\u00f4, ianao no namako efa hatramin\u2019izaho mbola tanora!",
"5": "Dia ho tezitra mandrakizay ve ianao, Na hitana lolompo?\u2019 Izany no lazainao, Nefa mbola ataonao ihany ny zava-dratsy rehetra mety ho vitanao.\u201d",
"6": "Hoy i Jehovah tamiko tamin\u2019ny andron\u2019i Josia Mpanjaka: \u201c\u2018Hitanao ve ny nataon\u2019ny Israely mpivadika? Miakatra eny amin\u2019ny tendrombohitra avo rehetra sy eny ambanin\u2019ny hazo midoroboka rehetra izy mba hivaro-tena.",
"7": "Na dia efa nanao an\u2019izany rehetra izany aza izy, dia nilaza taminy foana aho mba hiverina amiko. Tsy niverina anefa izy. Ary nojeren\u2019ny Joda izay nataon\u2019ilay rahavaviny mpivadika.",
"8": "Rehefa hitako izany, dia noroahiko ny Israely mpivadika sady nomeko taratasy fisaraham-panambadiana satria nanitsakitsa-bady. Mbola tsy natahotra ihany anefa ny Joda, ilay rahavaviny mpivadika, fa lasa nivaro-tena koa.",
"9": "Tsy nampaninona azy ny nivaro-tena. Nandoto an\u2019ilay tany izy, ary nanitsakitsa-bady satria nanompo vato aman-kazo.",
"10": "Na teo aza izany rehetra izany, dia tsy niverina tamiko tamin\u2019ny fony manontolo ny Joda, ilay rahavaviny mpivadika, fa nihatsaravelatsihy fotsiny\u2019, hoy i Jehovah.\u201d",
"11": "Dia niteny tamiko i Jehovah hoe: \u201cNasehon\u2019ny Israely mpivadika hoe marina kokoa izy raha oharina amin\u2019ny Joda mpivadika.",
"12": "Mandehana lazao amin\u2019izay any avaratra hoe: \u201c\u2018\u201cMiverena ry Israely mpikomy\u00a0\u00f4\u201d, hoy i Jehovah.\u2019 \u2018\u201cTsy hanao tsinontsinona anareo aho na ho sosotra aminareo, satria tsy mivadika aho\u201d, hoy i Jehovah.\u2019 \u2018\u201cTsy ho tezitra mandrakizay aho.",
"13": "Ekeo fotsiny hoe diso ianareo, satria nikomy tamin\u2019i Jehovah Andriamanitrareo. Tsy nankat\u00f2 ny teniko ianareo, fa mbola nanao firaisana tamin\u2019ireo vahiny teny ambanin\u2019ny hazo midoroboka rehetra teny ihany\u201d, hoy i Jehovah.\u2019\u201d",
"14": "\u201cMiverena, ry zanako mpikomy\u00a0\u00f4\u201d, hoy i Jehovah. \u201cFa izaho irery ihany no lasa tomponareo. Halaiko ianareo, ka iray isan-tan\u00e0na no halaiko ary roa isam-poko, dia hoentiko any Ziona.",
"15": "Dia homeko mpiandry sitraky ny foko ianareo, ka hofahanan\u2019izy ireo fahalalana sy fahaiza-mandinika.",
"16": "Hihamaro ianareo amin\u2019izany andro izany, ka hihabetsaka ao amin\u2019ilay tany\u201d, hoy i Jehovah. \u201cTsy hisy hilaza intsony hoe: \u2018Ny Vata misy ny fifanekena nataon\u2019i Jehovah!\u2019 Tsy ho ao an-tsaina intsony izy io, na hisy hahatsiaro, na hisy hanembona, na hisy hanamboatra iray mitovy aminy.",
"17": "Hantsoina hoe ny seza fiandrianan\u2019i Jehovah i Jerosalema amin\u2019izany andro izany. Ary hangonina ny firenena rehetra mba hankalaza ny anaran\u2019i Jehovah any. Tsy hikiry hanaraka ny fo\u00a0ratsiny intsony izy ireo.\u201d",
"18": "\u201cDia hiara-mandeha ny taranak\u2019i Joda sy ny taranak\u2019Israely amin\u2019izany andro izany, ka ho tonga avy any amin\u2019ilay tany any avaratra mba hiditra ao amin\u2019ilay tany nomeko ho lovan\u2019ny razambenareo.",
"19": "Ary nieritreritra aho hoe: \u2018Hataoko ho isan\u2019ny zanako lahy ianareo ary homeko an\u2019ilay tany mahafinaritra, dia ilay lova tsara indrindra teo amin\u2019ireo firenena!\u2019 Nieritreritra koa aho hoe hiantso ahy hoe \u2018Raiko!\u2019 ianareo, ary tsy hiala amiko mihitsy.",
"20": "\u2018Nivadika tamiko anefa ianareo, ry\u00a0taranak\u2019Israely\u00a0\u00f4, hoatran\u2019ny ataon\u2019ny vehivavy mivadika amin\u2019ny vadiny ka mandao azy\u2019, hoy i Jehovah.\u201d",
"21": "Misy feo re eny amin\u2019ireo havoana mangadihady, Dia ny feon\u2019ny vahoakan\u2019Israely mitomany sy mitalaho. Niala tamin\u2019ny lala-mahitsy mantsy izy ireo. Hadinony i Jehovah Andriamaniny.",
"22": "\u201cMiverena, ry zanako mpikomy\u00a0\u00f4, Fa hanasitrana anareo aho dia tsy hikomy intsony ianareo.\u201d \u201cIreto izahay manatona anao, Satria ianao, Jehovah\u00a0\u00f4, no Andriamanitray!",
"23": "Tena fitaka fotsiny ireo havoana sy tabataba eny an-tendrombohitra. Fa i Jehovah Andriamanitray no tena mpamonjy ny Israely!",
"24": "Efa hatramin\u2019izahay mbola kely no lanin\u2019ilay zavatra mahamenatra ny zavatra nisasaran\u2019ny razambenay, Dia ny omby aman\u2019ondriny Sy ny zanany lahy ary ny zanany vavy.",
"25": "Hatory izahay sady ho menatra Ary ny fahafaham-baraka no handrakotra anay. Nanota tamin\u2019i Jehovah Andriamanitray mantsy izahay, Dia izahay sy ny razambenay, hatramin\u2019izahay mbola kely ka hatramin\u2019izao. Ary tsy nankat\u00f2 ny tenin\u2019i Jehovah Andriamanitray izahay.\u201d"
},
"4": {
"1": "\u201cRaha hiverina ianao, ry Israely\u00a0\u00f4\u201d, hoy i Jehovah, \u201cRaha hiverina amiko ianao, Ary raha hesorinao eo anatrehako ireo sampinao maharikoriko, Dia tsy ho lasa mpirenireny ianao.",
"2": "Raha manao ny marina sy ny rariny ary ny hitsiny ianao rehefa mianiana hoe: \u2018Raha mbola velona koa i Jehovah!\u2019 Dia hahazo fitahiana avy aminy ireo firenena, Ary Izy no ho reharehan\u2019izy ireny.\u201d",
"3": "Fa izao no lazain\u2019i Jehovah amin\u2019ny mponin\u2019i Joda sy Jerosalema: \u201cTany azo volena no asao, Fa aza mamafy voa eny amin\u2019ny tsilo.",
"4": "Aoka hoforana ho an\u2019i Jehovah ianareo, Ary forao ny fonareo, Ry fokon\u2019i Joda sy ry mponin\u2019i Jerosalema, Sao hirehitra toy ny afo ny fahatezerako Ka hiredareda nefa tsy hisy hamono, Noho ny ratsy nataonareo.\u201d",
"5": "Lazao any Joda izany, ary ambarao ao Jerosalema. Mihorakoraha ary tsofy eran\u2019ilay tany ny anjombona. Miantsoantsoa mafy hoe: \u201cMivoria, Ary andao isika handositra ao amin\u2019ireo tan\u00e0na voaro mafy.",
"6": "Manang\u00e0na famantarana manondro ny lalana mankany Ziona. Mitadiava fialofana, fa aza mijanona,\u201d Satria hahatonga loza avy any avaratra aho, dia fandravana\u00a0be.",
"7": "Mivoaka toy ny liona avy ao anaty kirihitra izy; Efa eny an-dalana ilay mpandrava an\u2019ireo firenena. Mivoaka avy ao amin\u2019izay misy azy izy mba handrava ny taninareo ka hihorohoro izay mahita azy. Ho rava ny tan\u00e0nanareo ka tsy hisy mponina.",
"8": "Koa mitafia lamba gony Ary aoka ianareo hisaona sy hidradradradra, Satria mbola tezitra\u00a0be amintsika foana i Jehovah.",
"9": "\u201cAmin\u2019izany andro izany\u201d, hoy i Jehovah, \u201cdia ho reraka ny fon\u2019ny mpanjaka Sy ny fon\u2019ny andriana. Hihorohoro ny mpisorona ary ho gaga ny mpaminany.\u201d",
"10": "Dia hoy aho: \u201cIndrisy, ry\u00a0Jehovah Tompo Fara Tampony\u00a0\u00f4! Tena namitaka tanteraka an\u2019ity vahoaka ity sy Jerosalema ianao rehefa nilaza hoe: \u2018Hiadana ianareo\u2019, nefa efa eo an-tendanay ny sabatra.\u201d",
"11": "Izao no holazaina amin\u2019ity vahoaka ity sy Jerosalema, amin\u2019izany andro izany: \u201cHisy rivotra mahamay, avy any amin\u2019ny havoana mangadihady any an-tany efitra, Hitsoka any amin\u2019ny zanakavavin\u2019ny fireneko. Tsy rivotra hikororohana na hanadiovana vary anefa izany.",
"12": "Mifofofofo avy any amin\u2019ireny toerana ireny ny rivotra, noho ny baiko avy amiko. Hamoaka didy hanamelohana azy ireo aho izao.",
"13": "Ho avy toy ny rahona mainty ny fahavalo, Ary toy ny tafio-drivotra ireo kalesiny. Haingam-pandeha noho ny voromahery ny soavaliny. Idiran-doza isika fa ringana!",
"14": "Sasao hiala ao am-ponao ny faharatsiana, ry\u00a0Jerosalema\u00a0\u00f4, mba ho voavonjy ianao. Mandra-pahoviana ianao no mbola hanana eritreri-dratsy?",
"15": "Fa misy feo milaza vaovao avy any Dana, Ary manambara loza avy any an-tendrombohitr\u2019i Efraima izy\u00a0io.",
"16": "Ampandreneso an\u2019ireo firenena izany. Ambarao amin\u2019i Jerosalema izany.\u201d \u201cMisy mpitily tonga avy any an-tany lavitra. Hihorakoraka hamely ny tan\u00e0nan\u2019i Joda izy ireny.",
"17": "Manodidina an\u2019i Jerosalema toy ny mpiandry saha izy ireny mba hanafika azy, Satria nikomy tamiko izy\u201d, hoy i Jehovah.",
"18": "\u201cHivaly aminao ny fitondran-tenanao sy ny nataonao. Hangidy aminao ny loza hanjo anao, Satria hatrany am-ponao mihitsy ny fikomianao!\u201d",
"19": "Kay, mijaly aho! Mijaly aho! Marary be ny foko. Midobodoboka ny foko ato anatiko. Tsy afaka ny hangina\u00a0aho Satria maheno feon\u2019anjombona, Dia feo fanairana rehefa misy ady.",
"20": "Heno hoe nisy fandravana nisesisesy, Satria rava ilay tany manontolo. Rava tampoka ny tranolaiko, Rava tao anatin\u2019ny indray mipy maso.",
"21": "Mandra-pahoviana no mbola hahitako an\u2019ilay famantarana, Sy handrenesako an\u2019ilay feon\u2019anjombona?",
"22": "\u201cFa adala ny vahoakako. Tsy miraharaha ahy izy ireo. Zanaka tsisy saina izy ireo sady tsy mahay na inona na inona. Raha ny hanao ratsy dia tena mahay izy, Fa ny hanao ny tsara kosa tsy hainy.\u201d",
"23": "Nijery an\u2019ilay tany aho, ka io fa tsy nisy na inona na inona sy tsy nisy mponina ilay izy. Nijery ny lanitra aho, ka tsy nisy hazavana intsony teny.",
"24": "Nijery ny tendrombohitra aho, ka ireo fa nihovotrovotra ireny. Nihozongozona koa ny havoana.",
"25": "Nijery aho ka hitako fa tsy nisy olona intsony, Ary efa lasa nandositra daholo ny voro-manidina.",
"26": "Nijery aho ka hitako fa lasa tany efitra ny saham-boankazo, Ary rava daholo ny tan\u00e0nany. I Jehovah no nahatonga izany, Satria tezitra\u00a0be izy.",
"27": "Fa izao no lazain\u2019i Jehovah: \u201cHoravako ilay tany manontolo, Saingy tsy horavako tanteraka.",
"28": "Koa hisaona ilay tany, Ary ho maizina ny lanitra ambony, Satria efa niteny aho ary efa nanapa-kevitra, Ka tsy hiova hevitra, na hoe tsy hanao indray an\u2019izay efa noeritreretiko.",
"29": "Nandositra daholo ny tao an-tan\u00e0na, Rehefa naheno ny feon\u2019ny mpitaingin-tsoavaly sy ny mpandefa zana-tsip\u00ecka. Nitsofoka tany anaty kirihitra izy ireo, Ary nianika vatolampy. Nilaozan\u2019ny olona ny tan\u00e0na rehetra Ka tsy misy mponina intsony.\u201d",
"30": "Rava ianao izao ka inona no hataonao? Efa zatra nitafy ravin-damba mena midorehitra ianao, Ary efa zatra niravaka volamena, Sy nanao manjamaso mainty mba hanalehibeazana ny masonao. Very maina fotsiny anefa ny nanaovanao an\u2019izay hahatsara tarehy anao, Satria efa narian\u2019ireo lehilahy te\u00a0hanao firaisana taminao ianao. Mitady hamono anao izy ireo izao.",
"31": "Fa maheno feo hoatran\u2019ny feom-behivavy marary aho, Toy ny fitarainan\u2019ny vehivavy miteraka ny zanany voalohany, Dia ny feon\u2019i Ziona zanakavavy misefosefo. Mamelatra ny tanany izy, sady miteny hoe: \u201cLoza ity fa reraka aho noho ny ataon\u2019ny mpamono olona!\u201d"
},
"5": {
"1": "Mandehana mivezivezy eny amin\u2019ireo lalana ao Jerosalema. Dia jereo tsara daholo ny toerana rehetra sady diniho. Mankanesa eny amin\u2019ny tany malalaka be\u00a0olona dia tadiavo Raha mahita olona iray manao ny rariny Sy miezaka ny tsy hivadika ianareo. Raha izany mantsy, dia havelako ny helok\u2019ilay tan\u00e0na.",
"2": "Na misy mianiana aza hoe: \u201cRaha mbola velona koa i\u00a0Jehovah!\u201d, Dia mbola lainga ihany ny fianianana ataon\u2019izy ireny.",
"3": "Jehovah\u00a0\u00f4, tsy ny olona tsy mivadika ve no tadiavinao? Nokapohinao ny vahoakanao, nefa tsy nihontsina. Saika tapitra naripakao izy ireo, nefa tsy nety nandray anatra. Nataon\u2019izy ireo mafy noho ny vatolampy ny lohany, Ary tsy nety niverina taminao izy ireo.",
"4": "Nieritreritra anefa aho hoe: \u201cTena olona ambany ireto! Manao hadalana izy ireo, satria tsy fantany ny lalan\u2019i Jehovah Sy izay takin\u2019ny Andriamaniny.",
"5": "Handeha hiresaka amin\u2019ireo olona ambony aho, Fa izy ireo izao no mahalala ny lalan\u2019i Jehovah Sy izay takin\u2019ny Andriamaniny. Efa nanapatapaka ny zioga koa anefa izy rehetra, Ary efa nanapaka an\u2019izay namatotra azy.\u201d",
"6": "Noho izany, dia manafika azy ireo ny liona any an\u2019ala, Mandringana azy ireo ny amboadia any amin\u2019ny lemaka karakaina, Ary mamitsaka eny an-tan\u00e0nany ny leopara. Rotidrotehina izay rehetra mivoaka avy\u00a0ao. Be dia be mantsy ny lal\u00e0na nodikain\u2019izy ireo Ary imbetsaka izy ireo no nivadika.",
"7": "Koa ahoana moa no hamelako an\u2019izany helokao izany? Niala tamiko ireo zanakao, Ka mianiana amin\u2019ny anaran\u2019izay tsy Andriamanitra. Nomeko azy daholo izay nilainy, Nefa mbola manitsakitsa-bady ihany izy ireo, Sady mirohotra mankao an-tranon\u2019ny mpivaro-tena.",
"8": "Hoatran\u2019ny soavaly maimay mitady vavy izy ireo, Ka samy mitady vehivavy efa vadin\u2019olona.",
"9": "\u201cKoa tsy tokony hataoko ampamoaka ve izy ireo noho izany?\u201d, hoy i Jehovah. \u201cAry tsy tokony hamaly ny nataon\u2019ny firenena toy izany ve aho?\u201d",
"10": "\u201cMiakara ka simbao ireo tanimboalobony mikitohatohatra, Nefa aza potehina tanteraka. Esory ny sampany vao mitsiry, Satria tsy an\u2019i Jehovah ireny.",
"11": "Tena namadika ahy mantsy Ny taranak\u2019Israely sy ny taranak\u2019i Joda\u201d, hoy i Jehovah.",
"12": "\u201cNanda an\u2019i Jehovah izy ireo, ary izao foana no lazainy: \u2018Tsy hanao na inona na inona Izy. Tsy hisy loza hanjo anay. Tsy hahita ady izahay na ho tratran\u2019ny mosary.\u2019",
"13": "Zava-poana toy ny rivotra no lazain\u2019ny mpaminany, Ary tsy ao aminy ny teniko. Ho zava-poana hoatran\u2019ny teniny ihany izy ireo!\u201d",
"14": "Izao \u00e0ry no lazain\u2019i Jehovah Andriamanitry ny tafika: \u201cSatria niteny an\u2019izany izy ireo, Dia hataoko toy ny afo ao am-bavanao ny teniko, Ary ity vahoaka ity kosa ho toy ny kitay, Ka holevonin\u2019ilay afo.\u201d",
"15": "\u201cKoa hisy firenena avy any lavitra hoentiko hamely anareo, ry\u00a0taranak\u2019Israely\u201d, hoy i Jehovah. \u201cFirenena efa nisy hatry ny ela izany, Firenena efa taloha\u00a0be. Tsy hainao ny fiteniny Ary tsy azonao izay lazainy.",
"16": "Toy ny fasana misokatra ny tranon-jana-tsip\u00eckany; Miaramila izy rehetra.",
"17": "Haripany ny vokatrao sy ny mofonao. Haripany ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy. Haripany ny omby aman\u2019ondrinao. Haripany ny voalobokao sy ny aviavinao. Dia horavany amin\u2019ny sabatra ny tan\u00e0na voaro mafy itokisanao.\u201d",
"18": "\u201cTsy horinganiko tanteraka anefa ianareo\u201d, hoy i Jehovah, \u201cna dia amin\u2019izany andro izany aza.",
"19": "Rehefa manontany izy ireo hoe: \u2018Fa maninona i Jehovah Andriamanitsika no nanao an\u2019izany rehetra izany tamintsika?\u2019 Dia izao no havalinao azy: \u2018Niala tamiko ianareo ary nanompo andriamani-kafa tao amin\u2019ny taninareo. Koa hanompo firenena hafa any an-tanin\u2019olona ianareo.\u2019\u201d",
"20": "Lazao amin\u2019ny taranak\u2019i Jakoba Ary ambarao ao Joda hoe:",
"21": "\u201cHenoy izao, ry\u00a0vahoaka adala sy tsisy saina: Mana-maso izy ireo nefa tsy mahita, Ary manan-tsofina nefa tsy maheno.",
"22": "\u2018Tsy mba matahotra ahy ve ianareo\u2019, hoy i Jehovah. \u2018Tsy tokony hangovitra eo anatrehako ve ianareo? Izaho ange no nanao ny fasika ho fetran\u2019ny ranomasina\u00a0e, Mba ho lal\u00e0na mandrakizay tsy azony dikaina! Na misamboaravoara aza ny onjany, dia tsy hivoaka ho mpandresy. Ary na midoboka mafy aza ireny, dia mbola tsy ho afaka ny hihoatra an\u2019ilay fetra ihany.",
"23": "Mafy loha sy mpikomy anefa ity vahoaka ity. Nivily lalana izy ireo ary nandeha tamin\u2019izay lalana tiany.",
"24": "Tsy mba miteny anakampo izy ireo hoe: \u201cAndao amin\u2019izay isika hatahotra an\u2019i Jehovah Andriamanitsika, Ilay manome antsika orana amin\u2019ny fotoanany, Dia ny oram-pararano sy ny oran-dohataona, Ilay manome antoka antsika fa ho tonga amin\u2019ny fotoana voatondro ireo herinandro fijinjana.\u201d",
"25": "Ny fahadisoanareo ihany no nahatonga anareo tsy hahazo an\u2019izany rehetra izany, Ary ny fahotanareo ihany no tsy nahazoanareo zavatra tsara.",
"26": "Fa misy ratsy fanahy amin\u2019ny vahoakako. Mitilitily tsy misy farany hoatran\u2019ny mpamandri-borona mamitsaka ao amin\u2019ny miafina izy ireo. Mamelatra fandrika mahafaty izy ireo, Ary olona no azony.",
"27": "Toy ny tranom-borona feno vorona, Dia feno fitaka koa ny tranony. Izany no mahatonga azy ireo hanana fahefana sy harena.",
"28": "Nihanatavy sy mandimandina izy ireo. Tafahoatra loatra ny ratsy vitany. Tsy mba miady ho an\u2019ny kamboty izy ireo eny amin\u2019ny fitsarana, Satria te hahazo tombony. Ary tsy omeny rariny ny mahantra.\u2019\u201d",
"29": "\u201cKoa tsy tokony hataoko ampamoaka ve izy ireo noho izany?\u201d, hoy i Jehovah. \u201cAry tsy tokony hamaly ny nataon\u2019ny firenena toy izany ve aho?",
"30": "Zavatra mampihoron-koditra sy mahatsiravina no mitranga ao amin\u2019ilay tany:",
"31": "Maminany lainga ny mpaminany, Ary manampatra fahefana ny mpisorona. Dia tian\u2019ny vahoakako er\u1ef3 izany! Koa ahoana no hataonareo rehefa tonga ny farany?\u201d"
},
"6": {
"1": "Ry taranak\u2019i Benjamina\u00a0\u00f4, mitadiava fialofana lavitra an\u2019i Jerosalema. Tsofy ao Tekoa ny anjombona. Mandreheta afo famantarana ao Beti-hakerema! Fa efa mananontanona avy any avaratra ny loza, dia fandravana\u00a0be.",
"2": "Hoatran\u2019ny vehivavy tsara tarehy sy nampihantaina i Ziona zanakavavy.",
"3": "Ho avy ireo mpiandry ondry sy ny andian\u2019ondriny. Hanangana ny tranolainy manodidina azy izy ireo, Ary samy hitondra ny ondriny hiraoka ahitra.",
"4": "\u201cMiom\u00e0na hiady amin\u2019i Jerosalema! Mitsang\u00e0na, andao izy hotafihina amin\u2019ny mitataovovonana!\u201d \u201cIdiran-doza isika fa efa mihariva ny andro, Efa mihalava ny aloka satria efa hariva!\u201d",
"5": "\u201cMitsang\u00e0na, andao izy hotafihina mandritra ny alina, Dia horavantsika ireo tilikambony voaro mafy.\u201d",
"6": "Fa izao no tenin\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika: \u201cMikap\u00e0 hazo, dia manang\u00e0na dongon-tany hanaovana fahirano an\u2019i Jerosalema. Tan\u00e0na tsy maintsy atao ampamoaka izy. Tsy misy afa-tsy fampahoriana ao aminy.",
"7": "Toy ny itehirizan\u2019ny lavaka fanangonan-drano ny rano ho mangatsiatsiaka, No itehirizany ny ratsy fanaony ho mangatsiatsiaka. Herisetra sy fandravana no heno ao aminy. Aretina sy loza foana no eo anatrehako.",
"8": "Mba maneke hahitsy, ry\u00a0Jerosalema\u00a0\u00f4, raha tsy izany dia ho tofoka aminao aho ka hiala aminao. Hataoko lasa tany tsy misy mponina ianao.\u201d",
"9": "Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika: \u201cHotsimponina tsara toy ny voaloboka navelan\u2019ny mpioty izay sisa amin\u2019ny Israely. Avereno eo amin\u2019ny voaloboka indray ny tananao, toy ny ataon\u2019ny mpioty.\u201d",
"10": "\u201cIza no hitenenako sy hampitandremako? Iza no hihaino ahy? Tsentsina ny sofin\u2019izy ireo, ka tsy afaka mandre. Ataon\u2019izy ireo tsinontsinona ny tenin\u2019i Jehovah, Sady tsy mahafinaritra azy.",
"11": "Koa miredareda ato anatiko ny fahatezeran\u2019i Jehovah, Ka reraka mitana an\u2019izany aho.\u201d \u201cAnamparo ny hatezeranao ny ankizy eny an-dalana, Sy ny andiana tovolahy mitangorongorona. Samy ho lasa babo daholo na ny lehilahy na ny vadiny, Na ny lehilahy efa be\u00a0taona na ny efa antitra\u00a0be.",
"12": "Ho lasan\u2019olon-kafa ny tranon\u2019izy ireo Sy ny sahany ary ny vadiny. Fa hanatsotra ny tanako hamely ny mponin\u2019ilay tany aho\u201d, hoy i Jehovah.",
"13": "\u201cSamy maka tombony azo amin\u2019ny tsy marina ny olona, hatramin\u2019ny kely indrindra ka hatramin\u2019ny lehibe indrindra. Ary samy mamitaka na ny mpaminany na ny mpisorona.",
"14": "Miezaka manasitrana ny ratran\u2019ny vahoakako izy ireo nefa ataony zara fa vita izany, ka hoy izy ireo: \u2018Fiadanana! Fiadanana!\u2019 Nefa tsy misy fiadanana akory.",
"15": "Mba menatra ve izy ireo noho ny zavatra maharikoriko ataony? Tsy menatra mihitsy izy ireo. Tsy hainy akory na dia ny atao hoe henatra aza! Koa ho lavo miaraka amin\u2019izay lavo izy ireo. Ho tafintohina izy ireo rehefa manasazy azy ireo aho\u201d, hoy i Jehovah.",
"16": "Izao no tenin\u2019i Jehovah: \u201cMitsang\u00e0na eny amin\u2019ny sampanan-dalana ka mandiniha. Anontanio hoe aiza ireo lalana fahiny Ary aiza ny lalana tsara, ka izay no andehano Dia hiadana ianareo.\u201d Hoy anefa ianareo: \u201cTsy handeha amin\u2019izany izahay.\u201d",
"17": "\u201cDia nanendry mpitily aho hilaza aminareo hoe: \u2018Henoy ny feon\u2019ny anjombona!\u2019\u201d Hoy anefa ianareo: \u201cTsy hihaino izahay.\u201d",
"18": "\u201cKoa mihainoa, ry\u00a0firenena\u00a0\u00f4! Ry vahoaka\u00a0\u00f4, fantaro Izay hanjo azy ireo!",
"19": "Henoy, ry tany\u00a0\u00f4! Hahatonga loza amin\u2019ity vahoaka ity aho, Ho valin\u2019ny teti-dratsy nataony. Tsy nihaino ny teniko mantsy izy ireo, Sady tsy niraharaha ny lal\u00e0ko.\u201d",
"20": "\u201cAtaoko inona koa izay emboka manitra hafaranao avy any Sheba Sy izay fant\u00e0kamanitra avy any an-tany lavitra? Tsy azo ekena ny fanatitra dorana manontolo atolotrareo, Ary tsy ankasitrahako ny sorona ataonareo.\u201d",
"21": "Koa izao no tenin\u2019i Jehovah: \u201cHasiako vato mahatafintohina eo anoloan\u2019ity vahoaka ity, Ka ho tafintohina izy ireo, Dia ny ray sy ny zanany, Ary ny mpiara-monina sy ny namany. Ho faty daholo izy ireo.\u201d",
"22": "Izao no tenin\u2019i Jehovah: \u201cHisy vahoaka ho tonga avy any amin\u2019ilay tany any avaratra, Ary hisy firenena lehibe hofohazina avy any amin\u2019ny faritra lavitra indrindra amin\u2019ny tany.",
"23": "Hitazona tsip\u00ecka sy lefom-pohy izy ireo. Masiaka be izy ireo ka tsy hiantra. Midoboka toy ny ranomasina ny feony, Ary mitaingin-tsoavaly izy ireo. Milahatra toy ny lehilahy mpiady izy mba hanafika anao, ry\u00a0Ziona zanakavavy\u00a0\u00f4!\u201d",
"24": "Efa renay ny momba azy, Ka miraviravy tanana izahay. Mijaly izahay, Ary mitebiteby be hoatran\u2019ny vehivavy efa ho teraka.",
"25": "Aza mivoaka ho any an-tsaha, Na mandeha eny an-dalana Fa manana sabatra ny fahavalo, Ka manjaka hatraiza hatraiza ny horohoro.",
"26": "Ry zanakavavin\u2019ny fireneko! Mitafia lamba gony ary aoka ianao hihosin-davenona. Aoka ianao hisaona toy ny misaona zanaka lahitokana ka hidradradradra mafy, Satria hanafika antsika tampoka ny mpandrava.",
"27": "\u201cNotendreko ho mpisedra metaly eo amin\u2019ny vahoakako ianao, Ka hanadihady tsara. Handinika sy hamotopototra an\u2019izay ataon\u2019izy ireo ianao.",
"28": "Olona faran\u2019izay mafy loha izy rehetra, Ary mandehandeha manendrikendrika. Toy ny varahina sy vy izy ireo, Sady mpanao ratsy daholo.",
"29": "May ny tafoforana. Misy firaka avy ao anaty afo. Very maina fotsiny ny nandrendrehana ny metaly na dia atao mahamay be foana aza ny afo, Satria tsy niavaka akory ny loto.",
"30": "Hantsoin\u2019ny olona hoe volafotsy fanary izy ireo, Satria efa narian\u2019i Jehovah.\u201d"
},
"7": {
"1": "Niteny tamin\u2019i Jeremia i Jehovah hoe:",
"2": "\u201cMijoroa eo amin\u2019ny vavahadin\u2019ny tranon\u2019i Jehovah, ka torio eo izao hafatra izao: \u2018Henoy ny tenin\u2019i Jehovah, ry\u00a0vahoakan\u2019ny Joda rehetra, izay miditra amin\u2019ireto vavahady ireto mba hiankohoka eo anatrehan\u2019i Jehovah.",
"3": "Izao no lazain\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, Andriamanitry ny Israely: \u201cAhitsio ny lalanareo sy ny ataonareo, dia havelako hipetraka eto amin\u2019ity toerana ity foana ianareo.",
"4": "Aza matoky ny teny mamitaka, ka milaza hoe: \u2018Tempolin\u2019i Jehovah ity, tempolin\u2019i Jehovah, tempolin\u2019i Jehovah!\u2019",
"5": "Ahitsio tanteraka ny lalanareo sy ny ataonareo, ary tsarao araka ny rariny ny olona sy izay miady aminy.",
"6": "Aza ampijalina ny hafa firenena monina eo aminareo sy ny kamboty ary ny mpitondratena, ary aza mandatsaka ran\u2019olona tsy manan-tsiny eto amin\u2019ity toerana ity. Aza manompo andriamani-kafa ka hahatonga loza aminareo.",
"7": "Raha mankat\u00f2 an\u2019izany ianareo, dia havelako hipetraka mandrakizay eto amin\u2019ity toerana ity, izany hoe eo amin\u2019ilay tany nomeko ho an\u2019ny razambenareo.\u201d\u2019\u201d",
"8": "\u201cTeny mamitaka anefa no atokisanareo, ka tsy hahasoa anareo mihitsy izany.",
"9": "Mangalatra ianareo, mamono olona, manitsakitsa-bady, mianiana lainga, manao sorona ho an\u2019i Bala, ary manompo andriamanitra tsy fantatrareo.",
"10": "Dia mbola tonga mitsangana eto anatrehako ato amin\u2019ity trano mitondra ny anarako ity ihany ve ianareo, sady milaza hoe: \u2018Ho voavonjy isika\u2019, nefa izany zava-maharikoriko rehetra izany no ataonareo?",
"11": "Heverinareo fa lava-bato fiafenan\u2019ny jiolahy angaha ity trano mitondra ny anarako ity? Hitako ange ny ataonareo\u00a0e!\u201d, hoy i Jehovah.",
"12": "\u201c\u2018Mandehana any Silo, any amin\u2019ilay toerana nametrahako ny anarako tamin\u2019ny voalohany, dia jereo ny nataoko taminy noho ny zava-dratsy nataon\u2019ny Israely vahoakako.",
"13": "Mbola nanao an\u2019izany rehetra izany ihany anefa ianareo\u2019, hoy i Jehovah, \u2018ary na dia efa niteny anareo imbetsaka aza aho, dia tsy nihaino ianareo. Niantso anareo foana aho, fa tsy namaly ianareo.",
"14": "Koa hataoko hoatran\u2019i Silo ilay trano mitondra ny anarako, na dia itokisanareo aza. Ary hataoko toy izany koa ity toerana nomeko anareo sy ny razambenareo ity.",
"15": "Horoahiko tsy ho eo anatrehako ianareo, hoatran\u2019ny nandroahako ny rahalahinareo rehetra, dia ny taranak\u2019i Efraima manontolo.\u2019",
"16": "\u201cFa ianao kosa, aza mivavaka ho an\u2019ity vahoaka ity. Aza mitaraina na mivavaka na miangavy amiko ho azy, fa tsy hihaino anao aho.",
"17": "Tsy hitanao angaha izay ataon\u2019izy ireo ao amin\u2019ny tan\u00e0nan\u2019i Joda sy eny amin\u2019ny lalan\u2019i Jerosalema?",
"18": "Maka kitay ny ankizy ary mandrehitra afo ny rainy, dia ny vehivavy mamolavola koba mba hanaovana mofo atao fanatitra ho an\u2019ny Mpanjakavavin\u2019ny Lanitra. Mandraraka fanatitra zava-pisotro ho an\u2019ny andriamani-kafa koa izy ireo, mba hampahatezitra ahy.",
"19": "\u2018Izaho ve anefa no tian-dry zareo ho voa amin\u2019izany?\u2019, hoy i Jehovah. \u2018Tsy izy ireo ihany ve no ho voa amin\u2019izany, dia ho afa-baraka?\u2019",
"20": "Koa izao no lazain\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u2018Hanampatra ny hatezerako sy hisafoaka amin\u2019ity toerana ity aho, sy amin\u2019ny olona sy ny biby sy ny hazo eny an-tsaha ary amin\u2019ny vokatry ny tany. Hirehitra tokoa ny fahatezerako ka tsy hovonoina.\u2019",
"21": "\u201cIzao no lazain\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, Andriamanitry ny Israely: \u2018Mandehana \u00e0ry ampio fanatitra dorana manontolo ny sorona hafa ataonareo, dia hano ho anareo ny hena!",
"22": "Fa tsy niresaka tamin\u2019ny razambenareo momba ny fanatitra dorana manontolo sy ny sorona aho, na nanome didy azy ireo momba an\u2019izany, tamin\u2019ny andro nitondrako azy ireo nivoaka avy tany Ejipta.",
"23": "Izao kosa no didy nomeko azy ireo: \u201cAnkatoavy ny teniko, dia ho Andriamanitrareo aho, ary ianareo ho vahoakako. Mandehana amin\u2019ny lalana rehetra asaiko alehanareo, dia hahita soa ianareo.\u201d\u2019",
"24": "Tsy nihaino anefa izy ireo na nanongilan-tsofina, fa nandeha araka izay saim-pantany sady nikiry nanaraka ny fo\u00a0ratsiny. Nihemotra \u00e0ry izy ireo fa tsy nandroso,",
"25": "hatramin\u2019ny andro nivoahan\u2019ny razambenareo avy tany Ejipta ka hatramin\u2019izao. Koa nirahiko tany aminareo foana ny mpaminany mpanompoko rehetra isan\u2019andro, ary imbetsaka aho no naniraka azy ireny tany aminareo.",
"26": "Tsy nety nihaino ahy anefa ity vahoaka ity na nanongilan-tsofina. Mafy loha izy ireo ka nanao zavatra ratsy kokoa noho ny nataon\u2019ny razambeny!",
"27": "\u201cHolazainao amin\u2019izy ireo daholo ny teniko, nefa tsy hihaino anao ry\u00a0zareo. Hiantso azy ireo ianao, nefa tsy hamaly anao ry\u00a0zareo.",
"28": "Koa lazao aminy hoe: \u2018Ity ilay firenena tsy nankat\u00f2 ny tenin\u2019i Jehovah Andriamaniny, sady tsy nety nandray anatra. Tsy misy olona tsy\u00a0mivadika intsony eo amin\u2019izy ireo, ary na ny tsy fivadihana aza tsy asiany resaka akory.\u2019",
"29": "\u201cHetezo ny volonao lava ka ario. Manaova hira fisaonana eny amin\u2019ny havoana mangadihady. Sady nolavin\u2019i Jehovah mantsy ilay taranaka mampahatezitra mafy azy no efa hafoiny.",
"30": "\u2018Fa nanao izay ratsy teo imasoko ny vahoakan\u2019ny Joda\u2019, hoy i Jehovah. \u2018Nataony tao amin\u2019ilay trano mitondra ny anarako ireo sampiny maharikoriko, mba handotoana ny tranoko.",
"31": "Nanorina an\u2019ireo toerana avo ao Tofeta, ao amin\u2019ny Lohasahan\u2019ny Taranak\u2019i Hinoma, izy ireo, mba handoroany ny zanany lahy sy ny zanany vavy ao anaty afo. Tsy nandidy azy hanao an\u2019izany anefa aho, ary tsy tao an-tsaiko akory aza izany.\u2019",
"32": "\u201c\u2018Koa ho avy ny andro\u2019, hoy i Jehovah, \u2018izay tsy hiantsoana azy io intsony hoe Tofeta na Lohasahan\u2019ny Taranak\u2019i Hinoma, fa hoe Lohasaha Famonoana. Handevina ao Tofeta izy ireo, mandra-paha tsy hisy toerana azo andevenana intsony ao.",
"33": "Ho lasa sakafon\u2019ny voro-manidina sy ny bibidia ny fatin\u2019ity vahoaka ity. Ary tsy hisy hampatahotra an\u2019ireny biby ireny ka hampandositra azy.",
"34": "Dia hataoko tsy misy feon\u2019olona mifaly sy miravoravo, na feona mpampakatra sy ampakarina, intsony ao amin\u2019ireo tan\u00e0nan\u2019i Joda sy eny amin\u2019ny lalan\u2019i Jerosalema. Fa ho rava tanteraka ilay tany.\u2019\u201d"
},
"8": {
"1": "\u201cAmin\u2019izany andro izany\u201d, hoy i Jehovah, \u201cdia hofongarina avy ao am-pasana ny taolan\u2019ireo mpanjakan\u2019ny Joda sy ireo andrianany sy ireo mpisorony sy ireo mpaminaniny, ary ny taolan\u2019ny mponin\u2019i Jerosalema.",
"2": "Dia halaina ireny ka haparitaka eo anatrehan\u2019ny masoandro sy ny volana ary izay rehetra eny amin\u2019ny lanitra, izay samy tian\u2019izy ireo sy notompoiny sy nivavahany sy nakany hevitra ary niankohofany. Tsy hangonina na halevina ireny taolana ireny, fa ho zezika eny ambonin\u2019ny tany.\u201d",
"3": "\u201cAry aleon\u2019ireo sisa tavela amin\u2019ity firenena ratsy fanahy ity ho faty, toy izay ho velona any amin\u2019ny toerana rehetra hanaparitahako azy\u201d, hoy i Jehovah Tompon\u2019ny tafika.",
"4": "\u201cLazao amin\u2019izy ireo hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah: \u201cHo lavo ve izy ireo, dia tsy ho tafarina intsony? Raha miverina ny iray, dia tsy hiverina koa ve ny hafa?",
"5": "Nahoana ity vahoakan\u2019i Jerosalema ity no mbola mivadika amiko foana? Tsy mitsahatra mamitaka izy ireo, Ary tsy mety miverina amiko.",
"6": "Nihaino sy nanongilan-tsofina aho, nefa tsy marina ny zavatra noresahin\u2019izy ireo. Tsy mba nisy nibebaka tamin\u2019ny faharatsiany, na niteny hoe: \u2018Fa inona ity nataoko?\u2019 Samy miverina manao ny fanaon\u2019ny besinimaro izy ireo, toy ny soavaly miriotra ho any an\u2019ady.",
"7": "Na ny vanobe eny amin\u2019ny lanitra aza mahalala tsara ny fotoana andehanany. Ary samy manaja tsara ny fotoana fiverenany ny domohina sy ny sidintsidina ary ny fitatrala. Fa ny vahoakako kosa tsy mba mahalala ny fotoana hitsaran\u2019i Jehovah azy.\u201d\u2019",
"8": "\u2018Ahoana no ahasahianareo milaza hoe: \u201cHendry izahay sady anananay ny lal\u00e0n\u2019i Jehovah\u201d? Nampiasain\u2019ny mpanora-dal\u00e0na hanoratana lainga fotsiny mantsy ny peniny mandainga.",
"9": "Menatra ny hendry. Mihorohoro izy ireo, ary ho voafandrika. Tsy noraharahiany ny tenin\u2019i Jehovah, Ka inona intsony no fahendrena ananany?",
"10": "Koa homeko ho an\u2019olon-kafa ny vadiny, Ary ny sahany ho lasan\u2019olona, Satria samy maka tombony azo amin\u2019ny tsy marina izy ireo, hatramin\u2019ny kely indrindra ka hatramin\u2019ny lehibe indrindra. Ary samy mamitaka na ny mpaminany na ny mpisorona.",
"11": "Miezaka manasitrana ny ratran\u2019ny zanakavavin\u2019ny fireneko izy ireo nefa ataony zara fa vita izany, ka hoy izy ireo: \u201cFiadanana! Fiadanana!\u201d Nefa tsy misy fiadanana akory.",
"12": "Mba menatra ve izy ireo noho ny zavatra maharikoriko ataony? Tsy menatra mihitsy izy ireo. Tsy hainy akory na dia ny atao hoe henatra aza! Koa ho lavo miaraka amin\u2019izay lavo izy ireo. Ho tafintohina izy ireo rehefa manasazy azy ireo aho\u2019, hoy i Jehovah.",
"13": "\u2018Rehefa angoniko izy ireo, dia horinganiko\u2019, hoy i Jehovah. \u2018Tsy hisy voa ho tavela eo amin\u2019ny voaloboka, tsy hisy voa koa ny aviavy, ary halazo ny ravina. Ary izay nomeko azy dia hafoiny.\u2019\u201d",
"14": "\u201cNahoana isika no mipetra-potsiny eto? Andao hifamory ka hiditra ao amin\u2019ireo tan\u00e0na voaro mafy ary ho faty\u00a0ao. Fa handringana antsika i Jehovah Andriamanitsika, Ka omeny rano misy poizina isika hosotrointsika, Satria nanota tamin\u2019i Jehovah isika.",
"15": "Nanantena fiadanana isika, kanjo tsy nisy zavatra tsara nitranga. Nanantena fotoam-panasitranana isika, kanjo horohoro no niseho!",
"16": "Heno avy any Dana ny fiefonefon\u2019ny soavalin\u2019ny fahavalo. Mihovotrovotra ilay tany manontolo Rehefa maheno ny feon\u2019ireo soavalilahy mikiakiaka. Tonga ny fahavalo ka mandripaka an\u2019ilay tany sy izay rehetra ao aminy, Dia ny tan\u00e0na sy ny mponina ao.\u201d",
"17": "\u201cHandefasako bibilava eo aminareo, Dia bibilava misy poizina sy tsy mety baikoina. Tena hanaikitra anareo ireny\u201d, hoy i Jehovah.",
"18": "Tsy mety sitrana mihitsy ny alaheloko. Marary ny foko.",
"19": "Izany fa miantso vonjy avy any an-tany lavitra Ny zanakavavin\u2019ny fireneko, ka milaza hoe: \u201cTsy ao Ziona ve i Jehovah? Sa tsy ao ny mpanjakany?\u201d \u201cFa maninona izy ireo no nampahatezitra ahy tamin\u2019ireo sary sokitra Sy andriamani-kafa tsy misy dikany?\u201d",
"20": "\u201cEfa lasa ny fijinjana ary efa nifarana ny fahavaratra, Nefa mbola tsy voavonjy ihany isika!\u201d",
"21": "Torotoro fo aho noho ny ratran\u2019ny zanakavavin\u2019ny fireneko. Kivy be aho, Sady matahotra be mihitsy!",
"22": "Tsy misy balsama angaha any Gileada? Ary tsy misy dokotera angaha any? Koa nahoana no mbola tsy sitrana ihany ny zanakavavin\u2019ny fireneko?"
},
"9": {
"1": "Raha mba rano mantsy ny lohako, Ary loharanon-dranomaso ny masoko, Dia hitomany andro aman\u2019alina\u00a0aho Noho ireo mpiray firenena amiko novonoina.",
"2": "Raha mba manana toeram-pilasian\u2019ny mpanao dia lavitra mantsy aho any an-tany efitra, Dia handao ny fireneko aho ka handeha lavitra azy. Mpanitsakitsa-bady mantsy izy rehetra Sady mpivadika daholo.",
"3": "Vonona ny handainga ny lelan\u2019izy ireo, hoatran\u2019ny tsip\u00ecka efa voaomana hitifirana. Lainga no manjaka ao amin\u2019ilay tany. Tsy misy olona tsy mivadika ao. \u201cMiharatsy foana izy ireo, Ary tsy raharahiany aho\u201d, hoy i Jehovah.",
"4": "\u201cMitandrema amin\u2019ny namanareo ianareo rehetra, Ary aza atokisana na dia ny rahalahinareo aza. Fa mpamadika ny rahalahy rehetra, Ary mpanendrikendrika ny namana rehetra.",
"5": "Samy mamitaka ny namany avy izy ireo, Ary tsy misy milaza ny marina. Efa nampianariny handainga ny lelany. Mandrera-tena manao zava-dratsy izy ireo.",
"6": "Mipetraka eo afovoan\u2019ny fitaka ianao. Namitaka izy ireo ka nanda tsy hahalala ahy\u201d, hoy i Jehovah.",
"7": "Koa izao no lazain\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika: \u201cHataoko mitsonika izy ireo ka hosedraiko, Satria inona moa no mbola azoko atao amin\u2019ny zanakavavin\u2019ny fireneko?",
"8": "Zana-tsip\u00ecka mahafaty ny lelan\u2019izy ireo satria milaza fitaka. Fihavanana no resahin\u2019ny olona amin\u2019ny namany, Nefa ao anatiny ao izy efa toy ny olona mamitsaka hanafika.\u201d",
"9": "\u201cKoa tsy tokony hataoko ampamoaka ve izy ireo noho izany?\u201d, hoy i Jehovah. \u201cAry tsy tokony hamaly ny nataon\u2019ny firenena toy izany ve aho?",
"10": "Hitomany sy hitaraina noho ny amin\u2019ny tendrombohitra aho, Ary hanao hira fisaonana noho ny amin\u2019ny kijana any an-tany efitra. Fa may ireny ka tsy misy olona mandalo intsony eny, Sady tsy misy feona biby fiompy heno intsony. Nandositra ny voro-manidina sy ny bibidia, ka efa lasa daholo.",
"11": "Hataoko lasa vato mivangongo sy fonenan\u2019ny alikadia i Jerosalema, Ary hataoko lasa aolo tsy misy mponina ireo tan\u00e0nan\u2019i Joda.",
"12": "Iza no mba hendry ka mahazo ny hevitr\u2019izany? Ary iza no niresahan\u2019i Jehovah ka ho afaka hilaza an\u2019izany? Fa nahoana no rava ilay tany? Ary nahoana izy io no may hoatran\u2019ny tany\u00a0efitra Ka tsy misy olona mandalo eo intsony?\u201d",
"13": "Dia hoy i Jehovah: \u201cSatria tsy niraharaha ny lal\u00e0na nomeko azy izy ireo, sady tsy nanaraka an\u2019izany. Tsy nankat\u00f2 ny teniko koa izy ireo.",
"14": "Fa nikiry nanao izay tian\u2019ny fony fotsiny izy ireo sady nanompo an\u2019ireo sarin\u2019i Bala, hoatran\u2019izay nampianarin\u2019ny razambeny azy.",
"15": "Izao \u00e0ry no lazain\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, Andriamanitry ny Israely: \u2018Hampihinaniko zavamaniry mangidy\u00a0be ity vahoaka ity, ary hampisotroiko rano misy poizina.",
"16": "Haparitako any amin\u2019ireo firenena tsy fantany sy tsy fantatry ny razambeny izy ireo, ary handefasako sabatra hamely azy, mandra-paharipany tanteraka.\u2019",
"17": "Izao no lazain\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika: \u2018Aoka ianareo hisaina tsara. Antsoy ireo vehivavy mpanao hira fisaonana, Ary ampanantsoy koa ireo vehivavy efa za-draharaha,",
"18": "Mba ho avy haingana izy ireo, ka hidradradradra ho antsika. Dia hirotsaka ny ranomasontsika, Ary hisy ranomaso hikoriana avy amin\u2019ny hodi-masontsika.",
"19": "Fa heno avy ao Ziona ny feon\u2019ireo midradradradra hoe: \u201cDia rava tokoa moa ny tan\u00e0nantsika! Afa-baraka tanteraka isika! Fa niala tao amin\u2019ilay tany isika, dia narodan\u2019izy ireo ny tranontsika.\u201d",
"20": "Mihainoa ny tenin\u2019i Jehovah ianareo vehivavy. Aoka ianareo hanongilan-tsofina amin\u2019ny teny aloaky ny vavany. Ampianaro an\u2019ity hira fisaonana ity ny zanakareo vavy, Ary samia mampianatra azy io amin\u2019ny namany avy.",
"21": "Fa nitsofoka avy eo am-baravarankelintsika ny fahafatesana, Ary niditra nankao amin\u2019ireo tilikambo voaro mafy, Mba haka ny ankizy eny an-dalana Sy ny tovolahy eny amin\u2019ny tany malalaka.\u2019",
"22": "Teneno hoe: \u2018Izao no lazain\u2019i Jehovah: \u201cHiampatrampatra ny fatin\u2019ny olona, ka ho toy ny zezika eny an-tsaha, Sy ho toy ny varimbazaha vao avy nojinjaina Nefa tsy misy manangona.\u201d\u2019\u201d",
"23": "Izao no tenin\u2019i Jehovah: \u201cAoka ny hendry tsy hirehareha amin\u2019ny fahendreny, Ary ny mahery tsy hirehareha amin\u2019ny heriny, Ary ny manankarena tsy hirehareha amin\u2019ny harenany.\u201d",
"24": "\u201cIzay mirehareha kosa, dia aoka hirehareha amin\u2019izao zavatra izao: Mahafantatra tsara sy mahalala ahy izy; Fantany hoe izaho no Jehovah, Ilay maneho fitiavana sy tsy fivadihana, ary manao ny rariny sy ny hitsiny eny ambonin\u2019ny tany, Satria tena mahafinaritra ahy ireo toetra ireo\u201d, hoy i Jehovah.",
"25": "\u201cHo avy ny andro\u201d, hoy i Jehovah, \u201cizay hanaovako ampamoaka an\u2019izay rehetra voafora nefa tsy voafora akory raha ny marina,",
"26": "dia i Ejipta, Joda, Edoma, ny Amonita, Moaba, ary izay rehetra monina any an-tany efitra sady nokakasana ny fihirifany. Fa tsy voafora ny firenena rehetra, ary tsy voafora\u00a0fo ny taranak\u2019Israely manontolo.\u201d"
},
"10": {
"1": "Henoy ny teny fanamelohan\u2019i Jehovah anareo, ry\u00a0taranak\u2019Israely!",
"2": "Izao no lazain\u2019i Jehovah: \u201cAza mianatra ny fomban\u2019ireo firenena, Ary aza matahotra\u00a0be an\u2019ireo famantarana eny amin\u2019ny lanitra Satria hoe matahotra\u00a0be azy ireny ireo firenena.",
"3": "Fa fitaka ny fanaon\u2019ireo firenena. Hazo nokapaina tany an\u2019ala fotsiny ilay izy, Dia namboarin\u2019ny mpanao asa tanana tamin\u2019ny fitaovany.",
"4": "Ravahany volafotsy sy volamena ilay izy, Ary nakambany tamin\u2019ny marotoa sy fantsika mba tsy hianjera.",
"5": "Hoatran\u2019ny sariolona fampitahoram-borona eny amin\u2019ny sahan-k\u00f4k\u00f4mbra ireny, ka tsy afa-miteny. Tsy maintsy bataina ireny satria tsy afa-mamindra. Aza matahotra azy, fa sady tsy afaka manisy ratsy ireny No tsy afaka manisy soa.\u201d",
"6": "Tsy misy hoatr\u2019anao, Jehovah\u00a0\u00f4! Tena miavaka ianao, ary be\u00a0voninahitra sy mahery ny anaranao.",
"7": "Iza no tsy hatahotra anao, ry\u00a0Mpanjakan\u2019ireo firenena\u00a0\u00f4? Fa mendrika an\u2019izany ianao. Fa tsy misy toa anao mihitsy Eo amin\u2019ny olon-kendry rehetra eo amin\u2019ireo firenena sy eo amin\u2019ny fanjakany rehetra.",
"8": "Sady adala no tsy misaina daholo izy ireo. Fitaka tanteraka ny zavatra ampianarin\u2019ny hazo.",
"9": "Nohafarana avy any Tarsisy ny volafotsy nofisahina, ary avy any Ofaza ny volamena. Namboarin\u2019ny mpanao asa tanana sy ny mpanefy ireny. Kofehy manga sy volonondry volomparasy no nanaovana ny fitafiany. Asa tanan\u2019olona mahay izy rehetra.",
"10": "I Jehovah kosa no tena Andriamanitra. Izy no Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay. Hihovotrovotra ny tany noho ny fahatezerany, Ary tsy hisy firenena hahatanty ny fanamelohany.",
"11": "* Izao no holazainareo amin\u2019izy ireo: \u201cHo fongana tsy ho eto an-tany sy et\u1ef3 ambanin\u2019ny lanitra Ireo andriamanitra tsy nanao ny lanitra sy ny tany.\u201d",
"12": "Izy Ilay nanao ny tany tamin\u2019ny heriny, Dia Ilay nanao izay hahamafy orina ny tany lonaka tamin\u2019ny fahendreny, Sy namelatra ny lanitra tamin\u2019ny fahiratan-tsainy.",
"13": "Rehefa ataony heno ny feony, Dia misamboaravoara ny rano eny amin\u2019ny lanitra, Ary mampiakatra rahona avy any amin\u2019ny faran\u2019ny tany izy. Manao tselatra ho an\u2019ny orana izy, Ary avoakany avy ao amin\u2019ny trano fitehirizany azy ny rivotra.",
"14": "Tsy misaina ny olona rehetra sady manaonao foana. Ho menatra ny mpanefy rehetra fa nanao sary sokitra. Fitaka fotsiny mantsy ny sarivongana metaly nataony, Sady tsy mananaina.",
"15": "Sandoka fotsiny ireny sady ihomehezan\u2019ny olona. Ho fongana ireny rehefa tonga ny andro hanasaziana azy.",
"16": "Tsy mba toy ireny kosa ilay Anjaran\u2019i Jakoba, Fa izy Ilay nanao ny zava-drehetra, Ary ny Israely no tehin\u2019ny lovany. Jehovah Tompon\u2019ny tafika no anarany.",
"17": "Angony ny entanao eo amin\u2019ny tany, Ry vehivavy natao fahirano!",
"18": "Fa izao no lazain\u2019i Jehovah: \u201cHatsipiko ho any ivelan\u2019ny taniny ny mponina, amin\u2019ity indray mandeha ity, Ary hataoko mahita faisana.\u201d",
"19": "Idiran-doza aho fa maratra! Tsy mety sitrana mihitsy ny ratrako. Dia hoy aho: \u201cEfa izao no aretiko, ka dia hozakaiko.",
"20": "Rava ny tranolaiko ary nisy nanapaka daholo ny tady fanenjanana azy. Nandao ahy ireo zanako ka tsy eo intsony. Tsy misy tavela mba hanenjana ny tranolaiko na hanangana azy.",
"21": "Tsy misaina ireo mpiandry ondry, Sady tsy manontany an\u2019i Jehovah. Tsy malina \u00e0ry izy ireo rehefa manao zavatra, Ka miparitaka daholo ny andian\u2019ondriny.\u201d",
"22": "Henoy! Izany misy filazana! Migodongodona mafy avy any amin\u2019ilay tany any avaratra ny fahavalo, Mba hahatonga an\u2019ireo tan\u00e0nan\u2019i Joda ho aolo sy ho lasa fonenan\u2019ny alikadia.",
"23": "Jehovah\u00a0\u00f4, fantatro tsara fa tsy an\u2019ny olombelona ny lalan-kalehany. Tsy natao hitondra samirery ny fiainany koa ny olona.",
"24": "Ahitsio araka izay hitanao hoe rariny aho, Jehovah\u00a0\u00f4, Fa aza atao amim-pahatezerana, sao lasa ataonao tsinontsinona aho.",
"25": "Anamparo ny hatezeranao ireo firenena tsy miraharaha anao Sy ireo foko tsy miantso ny anaranao. Fa naripak\u2019izy ireo i Jakoba. Naripak\u2019izy ireo izy ka saika fongana tanteraka, Ary noravany ny taniny."
},
"11": {
"1": "Niteny tamin\u2019i Jeremia i Jehovah hoe:",
"2": "\u201cSamia mihaino ny teny ato amin\u2019ity fifanekena ity! \u201cResaho amin\u2019ny fokon\u2019i Joda sy ny mponin\u2019i Jerosalema izany,",
"3": "ka lazao aminy hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely: \u201cVoaozona izay tsy mankat\u00f2 ny teny ato amin\u2019ity fifanekena ity,",
"4": "izay nasaiko narahin\u2019ny razambenareo tamin\u2019ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany Ejipta, avy tao amin\u2019ny fatana fandrendrehana vy. Hoy mantsy aho tamin\u2019izay: \u2018Ankatoavy ny teniko, ary ataovy izay rehetra andidiako anareo. Dia ho vahoakako ianareo, ary izaho ho Andriamanitrareo,",
"5": "mba hanatanterahako ny fianianana nataoko tamin\u2019ny razambenareo, dia ny hanome azy ireo an\u2019ilay tany tondra-dronono sy tantely, hoatran\u2019ny amin\u2019izao androany izao.\u2019\u201d\u2019\u201d Dia namaly aho hoe: \u201cAmena, Jehovah\u00a0\u00f4!\u201d",
"6": "Niteny tamiko i Jehovah avy eo hoe: \u201cAmbarao ao amin\u2019ireo tan\u00e0nan\u2019i Joda sy eny amin\u2019ny lalan\u2019i Jerosalema ireto teny rehetra ireto: \u2018Henoy ny teny ato amin\u2019ity fifanekena ity, dia araho.",
"7": "Fa efa nanariko mafy ny razambenareo tamin\u2019ny andro nitondrako azy avy tany Ejipta ka hatramin\u2019izao. Nananatra azy imbetsaka aho hoe: \u201cAnkatoavy ny teniko.\u201d",
"8": "Tsy nihaino anefa izy ireo na nanongilan-tsofina, fa mbola samy nikiry nanaraka ny fo ratsiny ihany. Koa notanterahiko tamin\u2019izy ireo ny teny rehetra ato amin\u2019ity fifanekena ity, izay nasaiko narahiny nefa tsy narahiny.\u2019\u201d",
"9": "Hoy koa i Jehovah tamiko: \u201cMitetika ny hikomy ny fokon\u2019i Joda sy ny mponin\u2019i Jerosalema.",
"10": "Naverin\u2019izy ireo indray ny fahadisoan\u2019ny razambeny taloha, izay tsy nety nankat\u00f2 ny teniko. Nanaraka andriamani-kafa sy nanompo azy ireny koa izy ireo. Nivadika tamin\u2019ny fifanekena nataoko tamin\u2019ny razambeny ny taranak\u2019Israely sy ny taranak\u2019i Joda.",
"11": "Koa izao no lazain\u2019i Jehovah: \u2018Hahatonga loza aminy aho, ka tsy ho afa-mandositra an\u2019izany izy ireo. Ary hiantso vonjy amiko izy ireo, fa tsy hihaino azy aho.",
"12": "Dia handeha ho any amin\u2019ireo andriamanitra, izay nanaovany sorona, ny mponina ao an-tan\u00e0nan\u2019i Joda sy Jerosalema, ka hiantso vonjy aminy. Tsy hahavonjy azy ireo mihitsy anefa ireny amin\u2019ny fotoana hiavian\u2019ny loza.",
"13": "Fa lasa maro toy ny tan\u00e0nanareo ny andriamanitrareo, ry\u00a0Joda\u00a0\u00f4! Ary be dia\u00a0be hoatran\u2019ireo lalana ao Jerosalema ny alitara naorinareo ho an\u2019ilay zavatra mahamenatra, dia alitara anaovana sorona ho an\u2019i Bala.\u2019",
"14": "\u201cFa ianao kosa, aza mivavaka ho an\u2019ity vahoaka ity. Aza mitaraina na mivavaka ho azy, fa tsy hihaino aho rehefa miantso ahy izy ireo noho ny loza manjo azy.",
"15": "Mbola manan-jo ho ao an-tranoko ve ny vahoakako tena tiako, Nefa ny ankamaroan\u2019izy ireo aza manatanteraka ny teti-dratsiny? Hahasakana ny loza tsy hihatra aminao ve ny hena masina atolotr\u2019izy ireo? Ho faly ve ianao amin\u2019izay fotoana izay?",
"16": "Taloha ianao nantsoin\u2019i Jehovah hoe oliva midoroboka, Tsara tarehy sady nisy voany tena tsara. Tao anatin\u2019ny tabataba be anefa no nandrehetany afo handoroana azy. Ary notapahina ny rantsany.",
"17": "\u201cNanambara loza hamelezana anao i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, Ilay namboly anao, noho ny zava-dratsy nataon\u2019ny taranak\u2019Israely sy ny taranak\u2019i Joda. Nampahatezitra ahy izy ireo satria nanao sorona ho an\u2019i Bala.\u201d",
"18": "Nampahafantarin\u2019i Jehovah aho ka nahalala. Nataonao hitako, tamin\u2019izany fotoana izany, izay nataon\u2019izy ireo.",
"19": "Hoatran\u2019ny zanak\u2019ondry malemy\u00a0paika nentina hovonoina aho. Tsy fantatro hoe nanao tetika hamelezana ahy izy ireo. Niteny izy ireo hoe: \u201cAndao hopotehintsika ilay hazo sy ny voany, Ary hofongorantsika tsy ho eo amin\u2019ny tanin\u2019ny velona izy, Mba tsy hotsaroana intsony ny anarany.\u201d",
"20": "Mitsara araka ny rariny anefa i Jehovah Tompon\u2019ny tafika. Mandinika ny eritreritra lalina indrindra sy ny fo izy. Avelao aho hahita ny hamalianao azy ireny, Satria ianao no nanankinako ny ady nataoko teny amin\u2019ny fitsarana!",
"21": "Nomelohin\u2019i Jehovah \u00e0ry ny mponin\u2019i Anatota, izay mitady hamono anao ka miteny hoe: \u201cAza maminany amin\u2019ny anaran\u2019i Jehovah ianao, raha tsy izany dia hovonoinay.\u201d",
"22": "Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika: \u201cHataoko ampamoaka izy ireo. Ho fatin\u2019ny sabatra ny tovolahy, ary ho faty mosary ny zanany lahy sy ny zanany vavy.",
"23": "Tsy hisy hiangana izy ireo, satria hahatonga loza amin\u2019ny mponin\u2019i Anatota aho, amin\u2019ny taona hanaovako ampamoaka azy.\u201d"
},
"12": {
"1": "Manao ny rariny ianao, Jehovah\u00a0\u00f4, rehefa mitaraina aminao\u00a0aho Sy rehefa miresaka aminao momba ny fanaovana ny rariny. Nahoana anefa no mahomby ny ratsy fanahy, Ary nahoana ny mpivadika no tsy mba manana ahiahy?",
"2": "Nambolenao izy ireny ka miorim-paka. Mitombo izy ireny ary mamoa. Tsy afaka am-bavany ianao, nefa lavitry ny fony.",
"3": "Fa ianao kosa, Jehovah\u00a0\u00f4, mahalala tsara ahy sady mahita ahy. Nodinihinao ny foko ka hitanao fa mifikitra aminao. Avaho toy ny ondry hovonoina izy ireny, Ary atok\u00e0ny ho amin\u2019ny andro famonoana.",
"4": "Mandra-pahoviana ity tany ity no ho karakaina, Ary mandra-pahoviana ny zavamaniry eny an-tsaha no ho maina? Ripaka ny biby sy ny vorona Noho ny faharatsian\u2019ny mponina\u00a0ao. Hoy mantsy izy ireo: \u201cTsy hahita an\u2019izay hitranga amintsika izy.\u201d",
"5": "Olona aza no niara-nihazakazaka taminao, dia efa nandreraka anao. Koa ahoana moa no hahafahanao hifaninana amin\u2019ny soavaly? Na dia milamina aza ianao ao amin\u2019ny tany tsy misy ady, Dia hanao ahoana ianao rehefa ao amin\u2019ny kirihitrala matevina eny amoron\u2019i Jordana?",
"6": "Na ny rahalahinao sy ny ankohonan-drainao\u00a0aza Mamitaka anao. Miantsoantso mafy hamely anao izy ireo. Aza matoky azy, Na dia zavatra tsara aza no lazainy aminao.",
"7": "\u201cNilaozako ny tranoko, ary nafoiko ny lovako. Nataoko resin\u2019ny fahavalony ilay malalan\u2019ny foko.",
"8": "Amiko dia nanjary toy ny liona any an\u2019ala ny lovako. Nierona tamiko\u00a0izy Ka lasa halako.",
"9": "Amiko dia toy ny vorona mpihaza maro\u00a0loko ny lovako. Manodidina sy manafika azy ny vorona hafa mpihaza. Avia daholo ianareo biby eny an-tsaha, Avia mihin\u00e0na!",
"10": "Maro ireo mpiandry ondry nanimba ny tanimboaloboko. Nohitsakitsahin\u2019izy ireo ilay anjara taniko. Novany ho tany efitra sy tsy misy mponina ilay anjara taniko nahafinaritra ahy.",
"11": "Lasa tany ngazana ilay izy, Ary lasa karakaina Sy tsy misy mponina eo anatrehako. Lasa ravarava ilay tany manontolo, Nefa tsy misy olona mandray am-po an\u2019izany.",
"12": "Tonga avy any amin\u2019ny lala-masaka rehetra any an-tany efitra ireo mpandrava, Satria mandripaka olona hatrany amin\u2019ny faran\u2019ilay tany ka hatrany amin\u2019ny faran\u2019ilay tany ny sabatr\u2019i Jehovah. Tsy misy fiadanana na ho an\u2019iza na ho an\u2019iza.",
"13": "Varimbazaha no nafafin\u2019izy ireo nefa tsilo no nojinjainy. Reraka be izy ireo nefa niasa maina fotsiny. Ho menatra izy ireo noho ny vokatra azony, Satria tezitra be i Jehovah.\u201d",
"14": "Izao no lazain\u2019i Jehovah mba hanamelohana ny ratsy fanahy rehetra manodidina ahy, izay mikitikitika an\u2019ilay lova nomeko ho an\u2019ny Israely vahoakako: \u201cHongotako tsy ho eo amin\u2019ny taniny izy ireo, ary hongotako tsy ho eo amin\u2019izy ireo ny taranak\u2019i Joda.",
"15": "Rehefa avy manongotra azy ireo aho, dia hamindra\u00a0fo aminy ka hamerina ny tsirairay ho ao amin\u2019ny lovany sy ny taniny.\u201d",
"16": "\u201cAry ho tsara toerana eo amin\u2019ny vahoakako izy ireo, raha tena mianatra ny fanaon\u2019ny vahoakako sy mianiana amin\u2019ny anarako hoe: \u2018Raha mbola velona koa i Jehovah!\u2019, toy ny nampianaran\u2019izy ireo ny vahoakako hianiana tamin\u2019ny anaran\u2019i Bala.",
"17": "Fa hongotako kosa izany firenena izany raha tsy mety mankat\u00f2. Hongotako sy horavako izy\u201d, hoy i Jehovah."
},
"13": {
"1": "Izao no nolazain\u2019i Jehovah tamiko: \u201cMandehana mividy fehikibo vita amin\u2019ny lamba rongony, dia afatory eo amin\u2019ny andilanao. Aza atao lenan\u2019ny rano anefa ilay izy.\u201d",
"2": "Dia novidiko ilay fehikibo, araka ny tenin\u2019i Jehovah, ka nafatotro teo amin\u2019ny andilako.",
"3": "Ary niteny tamiko fanindroany i Jehovah hoe:",
"4": "\u201cAlaivo ilay fehikibo eny aminao, ilay novidinao, ary mitsang\u00e0na ka mandehana any amin\u2019ny Reniranon\u2019i Eofrata. Ary afeno any ilay izy, ao an-tsefatsefaky ny harambato.\u201d",
"5": "Dia lasa aho ka nafeniko teo amoron\u2019i Eofrata ilay izy, araka izay nasain\u2019i Jehovah nataoko.",
"6": "Niteny tamiko anefa i Jehovah rehefa afaka andro maro hoe: \u201cMitsang\u00e0na ka mandehana any amin\u2019ny Reniranon\u2019i Eofrata, ary alaivo ilay fehikibo nasaiko nafeninao any.\u201d",
"7": "Nankany amoron\u2019i Eofrata \u00e0ry aho ka nandavaka teo amin\u2019ilay toerana nanafenako an\u2019ilay fehikibo, dia nalaiko ilay izy. Ary hitako fa efa simba ilay fehikibo, sady tsy nisy nilana azy intsony!",
"8": "Dia niteny tamiko i Jehovah hoe:",
"9": "\u201cIzao no lazain\u2019i Jehovah: \u2018Hosimbako toy izany koa ny fireharehan\u2019i Joda sy ny haben\u2019ny fireharehan\u2019i Jerosalema.",
"10": "Ho lasa hoatran\u2019io fehikibo tsy misy ilana azy io koa ity vahoaka ratsy toetra ity, izay tsy mety mankat\u00f2 ny teniko, sy mikiry manao izay tian\u2019ny fony, ary manaraka andriamani-kafa ka manompo azy ireny sy miankohoka aminy.\u2019",
"11": "\u2018Fa toy ny fehikibo mifatotra amin\u2019ny andilan\u2019ny olona, dia nataoko nifamatotra tamiko koa ny taranak\u2019Israely manontolo sy ny taranak\u2019i Joda manontolo\u2019, hoy i Jehovah. \u2018Amin\u2019izay izy ireo dia ho vahoakako sy ho voninahitro sy ho fiderana ahy ary ho ravaka ho ahy. Tsy nankat\u00f2 anefa izy ireo.\u2019",
"12": "\u201cAmpitao aminy koa izao hafatra izao: \u2018Izao no lazain\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely: \u201cTokony hofenoina divay ny siny lehibe rehetra.\u201d\u2019 Dia hamaly anao izy ireo hoe: \u2018Fa angaha moa tsy efa fantatray hoe tokony hofenoina divay ny siny lehibe rehetra?\u2019",
"13": "Koa izao avaly azy ireo: \u2018Izao no lazain\u2019i Jehovah: \u201cHataoko mamo ny mponina rehetra eto amin\u2019ity tany ity, anisan\u2019izany ireo mpanjaka mipetraka eo amin\u2019ny seza fiandrianan\u2019i Davida, ireo mpisorona sy mpaminany, ary ny mponina rehetra ao Jerosalema.",
"14": "Ary hataoko mifamotika izy ireo, na ny ray na ny zanany\u201d, hoy i Jehovah. \u201cTsy hangoraka aho na halahelo na hamindra fo amin\u2019izy ireo. Tsy hisy hahasakana ahy tsy handringana azy.\u201d\u2019",
"15": "Mihainoa ka aoka ianareo hanongilan-tsofina. Aza manambony tena, fa i\u00a0Jehovah no miteny.",
"16": "Omeo voninahitra i Jehovah Andriamanitrareo, Dieny mbola tsy mahatonga haizina\u00a0izy Ary dieny mbola tsy tafintohina eny an-tendrombohitra ny tongotrareo rehefa maizimaizina ny andro. Hanantena hazavana ianareo, Kanjo hataony misy haizim-be, Ary hovany ho haizim-pito aza izany.",
"17": "Raha tsy mety mihaino ianareo, Dia hitomany mangingina aho noho ny fireharehanareo. Hijoy ny ranomasoko, ary handrotsaka ranomaso ny masoko, Satria lasa babo ny andian\u2019ondrin\u2019i Jehovah.",
"18": "Lazao amin\u2019ny mpanjaka sy ny renin\u2019ny mpanjaka hoe: \u2018Mipetraha ambany, Satria ho latsaka avy eny an-dohanareo ny satroboninahitrareo tsara tarehy.\u2019",
"19": "Nakatona ireo tan\u00e0na any atsimo ka tsy misy mamoha. Natao sesitany ny fokon\u2019i Joda manontolo. Natao sesitany daholo izy ireo.",
"20": "Tazano ireo olona tonga avy any avaratra, ka jereo. Aiza ilay andian\u2019ondry nomena anao, dia ireo ondry tsara tarehy?",
"21": "Inona no holazainao rehefa manasazy anao Ny olona noraisinao ho namana akaiky hatramin\u2019izay? Tsy hanaintaina mafy hoatran\u2019ny vehivavy efa ho teraka ve ianao?",
"22": "Ary hiteny ianao ao am-ponao ao hoe: \u2018Fa maninona \u00e0ry aho no tratran\u2019izao?\u2019 Satria lehibe ny fahadisoanao dia nesorina ny morontongotr\u2019akanjonao, Ary noratraratraina ny voditongotrao.",
"23": "Mahavita manova ny volon-kodiny ve ny Kosita, ary ny leopara ve mahavita manova ny pentimpentina aminy? Raha izany, dia mahavita manao ny tsara ianareo, Izay nampiofanina hanao ratsy.",
"24": "Koa haparitako toy ny mololo entin\u2019ny rivotra avy any an-tany efitra izy ireo.",
"25": "Izany no anjaranao, dia ilay anjara norefesiko ho anao\u201d, hoy i Jehovah, \u201cSatria nanadino ahy ianao ary lainga no atokisanao.",
"26": "Dia hingaiko hatreny amin\u2019ny tarehinao ny morontongotr\u2019akanjonao, Ka ho hitan\u2019ny olona ny faritra mahamenatra anao,",
"27": "Ny fanitsakitsahanao ny vadinao, ny filanao lehilahy, Ary ny zavatra vetaveta ataonao rehefa mivaro-tena. Hitako ny zava-maharikoriko ataonao Eny amin\u2019ny havoana sy eny an-tsaha. Hahita loza ianao, ry\u00a0Jerosalema\u00a0\u00f4! Mandra-pahoviana ianao no tsy hadio?\u201d"
},
"14": {
"1": "Izao no tenin\u2019i Jehovah tamin\u2019i Jeremia, momba ny hain-tany:",
"2": "Misaona i Joda, ary mihasimba ireo vavahadiny. Manjombona izy ireo sady midaboka amin\u2019ny tany. Miakatra avy ao Jerosalema ny fitarainana.",
"3": "Irahin\u2019ny tompony hantsaka rano ny mpanompony. Dia mankany amin\u2019ny lavadrano izy ireny nefa tsy mahita rano, Ka miverim-potsiny miaraka amin\u2019ny sininy. Menatra sy diso fanantenana izy ireny, Ka saronany ny lohany.",
"4": "Kivy ny mpamboly ka saronany ny lohany, Fa mitresatresaka ny tany Satria tsy misy orana milatsaka eo aminy.",
"5": "Na ny serfavavy eny an-tsaha aza mandao ny zanany vao teraka, Satria tsy misy ahi-maitso.",
"6": "Mijanona eny amin\u2019ny havoana mangadihady ny ampondradia. Misefosefo toy ny alikadia izy. Reraka ny masony satria tsy misy zavamaniry.",
"7": "Na dia miampanga anay aza ny fahadisoanay, Dia mba manaova zavatra noho ny anaranao, Jehovah\u00a0\u00f4! Fa efa imbetsaka izahay no nivadika taminao, Ary taminao izahay no nanota.",
"8": "Ry fanantenan\u2019ny Israely\u00a0\u00f4! Ry Mpamonjy azy amin\u2019ny fotoam-pahoriana, Nahoana no dia toy ny vahiny eto amin\u2019ity tany ity ianao, Ary toy ny mpanao dia lavitra mijanona eto indray alina monja?",
"9": "Nahoana ianao no hoatran\u2019ny olona very hevitra, Sy hoatran\u2019ny lehilahy matanjaka tsy afaka mamonjy? Fa ianao no eo aminay, Jehovah\u00a0\u00f4, Ary mitondra ny anaranao izahay. Aza dia afoy re izahay\u00a0e!",
"10": "Izao no lazain\u2019i Jehovah momba an\u2019ity vahoaka ity: \u201cTia mirenireny izy ireo ka tsy voafehiny ny tongony. Tsy ankasitrahan\u2019i Jehovah \u00e0ry izy ireo. Koa hotsaroany ny fahadisoan\u2019izy ireo, ary hataony ampamoaka izy noho ny fahotany.\u201d",
"11": "Dia hoy i Jehovah tamiko: \u201cAza mangataka zavatra tsara ho an\u2019ity vahoaka ity, rehefa mivavaka amiko.",
"12": "Tsy mihaino ny fitarainany aho na dia mifady hanina aza izy. Ary na manolotra fanatitra dorana manontolo sy fanatitra varimbazaha aza izy, dia tsy mankasitraka an\u2019izany aho. Fa horinganiko amin\u2019ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy ireo.\u201d",
"13": "Dia hoy aho: \u201cIndrisy, Jehovah Tompo Fara Tampony\u00a0\u00f4! Izao no lazain\u2019ny mpaminany amin\u2019izy ireo: \u2018Tsy hahita ady ianareo, ary tsy ho tratran\u2019ny mosary, fa hataoko izay tena hiadananareo eto amin\u2019ity toerana ity.\u2019\u201d",
"14": "Dia niteny tamiko i Jehovah hoe: \u201cMaminany lainga amin\u2019ny anarako ireo mpaminany ireo. Tsy naniraka azy ireo aho na nanome didy azy na niresaka taminy. Tsy marina ny fahitana azony, tsy misy dikany ny sikidy ataony, ary fitaka foromporonin\u2019ny sainy ny faminaniana resahiny aminareo.",
"15": "Maminany amin\u2019ny anarako ireo mpaminany ireo, nefa tsy nirahiko. Milaza izy ireo fa tsy hisy sabatra na mosary hamely an\u2019ity tany ity. Koa izao no lazain\u2019i Jehovah momba azy ireo: \u2018Ho fatin\u2019ny sabatra sy ny mosary ireo mpaminany ireo.",
"16": "Ary hatsipy eny amin\u2019ny lalan\u2019i Jerosalema ny fatin\u2019ny olona izay nilazany ny faminaniany, satria ho fatin\u2019ny mosary sy ny sabatra izy ireny. Tsy hisy handevina ny fatin\u2019izy ireny sy ny fatin\u2019ny vadiny sy ny zanany lahy ary ny zanany vavy. Fa hataoko mihatra aminy ny loza sahaza azy.\u2019",
"17": "\u201cLazao amin\u2019izy ireo izao teny izao: \u2018Aoka hirotsaka andro aman\u2019alina ny ranomasoko ka tsy hijanona mihitsy, Fa voa mafy ny virjiny zanakavavin\u2019ny fireneko noho ny vono nahazo azy, Ary tena maratra be izy.",
"18": "Rehefa mivoaka mankeny an-tsaha aho, Dia ireo matin\u2019ny sabatra no hitako! Ary rehefa miditra ao an-tan\u00e0na aho, Dia ireo marary vokatry ny mosary no hitako! Fa samy mirenireny any amin\u2019ny tany tsy fantany ny mpaminany sy ny mpisorona.\u2019\u201d",
"19": "Efa nolavinao tanteraka ve i Joda? Efa nankahalainao ve i Ziona? Nahoana no nokapohinao izahay ka tsy mety sitrana intsony? Nanantena fiadanana izahay, kanjo tsy nisy zavatra tsara nitranga. Nanantena fotoam-panasitranana izahay, kanjo horohoro no niseho!",
"20": "Jehovah\u00a0\u00f4, miaiky ny ratsy vitanay Sy ny fahadisoana nataon\u2019ny razambenay izahay. Fa nanota taminao izahay.",
"21": "Aza ailikilika izahay noho ny anaranao. Aza hamavoina ny seza fiandriananao be\u00a0voninahitra. Mba tsarovy re ny fifanekena nataonao taminay\u00a0e, ary aza mivadika amin\u2019izany!",
"22": "Misy mahavita mandatsaka orana ve ireo sampy tsy misy dikany tompoin\u2019ireo firenena, Na mahavita mandrotsaka oram-be ve raha ny lanitra fotsiny? Tsy Ianao irery ihany ve no mahavita an\u2019izany, ry\u00a0Jehovah Andriamanitray\u00a0\u00f4? Koa ianao no antenainay, Satria ianao ihany no manao an\u2019izany rehetra izany."
},
"15": {
"1": "Dia hoy i Jehovah tamiko: \u201cNa nijoro teto anatrehako aza i Mosesy sy Samoela, dia tsy ho namindra\u00a0fo tamin\u2019ity vahoaka ity aho. Roahy hiala eto anatrehako izy ireo. Asaivo mandeha ry\u00a0zareo.",
"2": "Ary raha manontany anao izy ireo hoe: \u2018Handeha ho aiza izahay?\u2019, dia izao avaly azy: \u2018Izao no lazain\u2019i Jehovah: \u201cHo tratran\u2019ny loza mahafaty izay natao ho tratran\u2019ny loza mahafaty! Ho fatin\u2019ny sabatra izay natao ho fatin\u2019ny sabatra! Ho fatin\u2019ny mosary izay natao ho fatin\u2019ny mosary! Ary ho lasa babo izay natao ho lasa babo!\u201d\u2019",
"3": "\u201c\u2018Handefa loza efatra aho hamelezana azy ireo\u2019, hoy i Jehovah: \u2018Sabatra hamono azy, alika hitaritarika azy, ary voro-manidina sy bibidia handrapaka sy hamotika azy.",
"4": "Hataoko mihorohoro ny fanjakana rehetra eto an-tany mahita an\u2019izay hanjo azy, noho izay nataon\u2019i Manase zanak\u2019i Hezekia, mpanjakan\u2019ny Joda, tao Jerosalema.",
"5": "Iza no mba hiantra anao, ry Jerosalema\u00a0\u00f4? Iza no mba hangoraka anao, Ary iza no mba hijanona hanontany hoe manahoana ianao?\u2019",
"6": "\u2018Nahafoy ahy ianao\u2019, hoy i Jehovah. \u2018Tsy mitsahatra manome lamosina ahy ianao. Koa hanatsotra ny tanako hamely anao aho, ka handringana anao. Efa reraky ny miantra anao aho.",
"7": "Ary hokororohiko amin\u2019ny fikororohana izy ireo, eo amin\u2019ireo vavahady ao amin\u2019ilay tany. Haripako ny zanany. Haringako ny vahoakako, Satria tsy mety miala amin\u2019ny fanaony.",
"8": "Ho lasa maro noho ny fasika eny an-dranomasina ny maty vady. Hitondra mpandrava hanafika azy ireo aho amin\u2019ny mitataovovonana, ka hotafihiny ny reny sy ny tovolahy. Hataoko mivadi-po sy mivarahontsana tampoka izy ireo.",
"9": "Mihareraka ny vehivavy niteraka fito, Ary sempotsempotra\u00a0be. Milentika ny masoandrony na dia mbola antoandro aza ny andro, Ka mahatonga henatra sy fahafaham-baraka.\u2019 \u2018Ary ny sisa amin\u2019izy ireo Hatolotro ho fatin\u2019ny sabatry ny fahavalony\u2019, hoy i Jehovah.\u201d",
"10": "Idiran-doza aho, ry\u00a0Neny, fa niteraka ahy ianao. Mila vaniny amiko sy mila ady amiko daholo ny olona rehetra eto amin\u2019ity tany ity. Tsy mba nampisambo-bola aho na nindram-bola, Nefa manozona ahy izy rehetra.",
"11": "Dia hoy i Jehovah: \u201cTena hanampy anao aho. Hifampiraharaha amin\u2019ny fahavalo tokoa aho mba ho voaro ianao, Amin\u2019ny fotoanan\u2019ny loza sy amin\u2019ny fotoana mahory.",
"12": "Misy mahapotipotika vy\u00a0ve, Dia ny vy avy any avaratra? Ary misy mahapotipotika varahina\u00a0ve?",
"13": "Homeko ho an\u2019ny mpandroba ny fanananao sy ny harenanao. Homeko maimaim-poana izany noho ny fahotana rehetra nataonao nanerana ny taninao.",
"14": "Homeko ny fahavalonao ireny, Mba hoentiny any amin\u2019ny tany tsy fantatrao. Fa nandrehitra afo ny fahatezerako, Ka mandoro anareo izany!\u201d",
"15": "Fantatrao ny manjo ahy, Jehovah\u00a0\u00f4! Mba tsarovy aho, ka tsinjovy. Valio ny mpanenjika ahy noho izay nataony tamiko. Aza avela ho fatiny aho noho ianao tsy mora\u00a0tezitra. Fantaro fa noho ny aminao no mahatonga ahy hisy handatsa hoatr\u2019izao.",
"16": "Hitako ny teninao ka nohaniko. Ary naharavoravo ahy ny teninao sady nahafaly ny foko. Fa mitondra ny anaranao aho, ry\u00a0Jehovah Andriamanitry ny tafika\u00a0\u00f4!",
"17": "Tsy miara-mipetraka amin\u2019ireo tia mifety aho, ary tsy mba mifalifaly. Mipetraka irery aho satria mitarika ahy ny tananao, Fa nataonao lasa tezitra\u00a0be aho.",
"18": "Nahoana no manaintaina foana aho, ary tsy misy fanafany ny ratrako? Tsy mety sitrana ilay izy. Ho lasa toy ny tahirin-drano mamitaka ve ianao, Ka tsy ho azo itokisana?",
"19": "Koa izao no lazain\u2019i Jehovah: \u201cRaha miverina amiko ianao, dia horaisiko indray, Ka hitsangana eto anatrehako. Raha manavaka an\u2019izay sarobidy amin\u2019izay tsy misy dikany ianao, Dia ho lasa mpitondra teniko. Tsy maintsy hiverina aminao ny vahoaka, Fa ianao kosa tsy hiverina aminy.\u201d",
"20": "\u201cAtaoko toy ny manda varahina voaro mafy ianao ho an\u2019ity vahoaka ity. Tsy maintsy hiady aminao izy ireo, Nefa tsy haharesy anao, Satria ho eo foana aho, mba hamonjy sy hanafaka anao\u201d, hoy i Jehovah.",
"21": "\u201cHamonjy anao eo an-tanan\u2019ny ratsy fanahy aho, Ary hanavotra anao eo am-pelatanan\u2019ny olona tsy mifaditrovana.\u201d"
},
"16": {
"1": "Niteny tamiko indray i Jehovah hoe:",
"2": "\u201cAza manambady na manana zanakalahy sy zanakavavy eto amin\u2019ity toerana ity.",
"3": "Izao mantsy no lazain\u2019i Jehovah momba an\u2019ireo zanakalahy sy zanakavavy teraka eto, sy momba ny ray sy ny reny niteraka azy teto amin\u2019ity tany ity:",
"4": "\u2018Ho fatin\u2019ny aretina mahafaty izy ireny, nefa tsy hisy hisaona na handevina azy. Ho lasa zezika eny ambonin\u2019ny tany izy ireny. Ho fatin\u2019ny sabatra sy ny mosary izy ireny, ary ho sakafon\u2019ny voro-manidina sy ny bibidia ny fatiny.\u2019",
"5": "Fa izao no lazain\u2019i Jehovah: \u2018Aza miditra ao amin\u2019ny trano misy sakafo\u00a0be, izay aroso rehefa misy fahoriana, Ary aza mankany mba hidradradradra na hitsapa alahelo.\u2019 \u2018Efa nesoriko tsy ho amin\u2019ity vahoaka ity mantsy ny fiadanako\u2019, hoy i Jehovah, \u2018Ary tsy ho tsara fanahy aminy aho sady tsy hamindra\u00a0fo aminy.",
"6": "\u2018Ho faty eto amin\u2019ity tany ity izy ireo, na ny lehibe na ny madinika. Tsy halevina izy ireo, Ary tsy hisy olona hisaona\u00a0azy Na handidididy vatana na hanasola ny lohany noho ny aminy.",
"7": "Tsy hisy hanome sakafo ho an\u2019ireo misaona, Mba hampiononana azy noho izy nidonam-pahoriana. Tsy hisy hanome azy ireo ny kaopin\u2019ny fampiononana Mba hisotroany, noho ny nahafatesan\u2019ny rainy na ny reniny.",
"8": "Ary aza miditra ao amin\u2019ny trano misy fanasana, Mba hiara-mipetraka hihinana sy hisotro amin\u2019izy ireo.\u2019",
"9": "\u201cFa izao no lazain\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, Andriamanitry ny Israely: \u2018Hataoko tsy misy feon\u2019olona mifaly sy miravoravo, na feona mpampakatra sy ampakarina intsony eto amin\u2019ity toerana ity, amin\u2019ny andronareo. Ny masonareo mihitsy no hahita an\u2019izany.\u2019",
"10": "\u201cRehefa lazainao amin\u2019ity vahoaka ity izany rehetra izany, dia hanontany anao izy hoe: \u2018Fa maninona i Jehovah no nilaza fa hamely anay amin\u2019izany loza amin\u2019antambo rehetra izany? Fa inona no fahadisoana sy fahotana vitanay tamin\u2019i Jehovah Andriamanitray?\u2019",
"11": "Koa izao avaly azy ireo: \u2018\u201cSatria niala tamiko ny razambenareo\u201d, hoy i Jehovah, \u201cdia nanaraka andriamani-kafa sy nanompo azy ireny sady niankohoka taminy. Fa izaho kosa nafoiny ary ny lal\u00e0ko tsy narahiny.",
"12": "Ary ratsy lavitra noho ny nataon\u2019ny razambenareo ny ataonareo. Samy mikiry manaraka ny fo ratsinareo ianareo fa tsy mankat\u00f2 ahy.",
"13": "Koa hatsipiko hiala eto amin\u2019ity tany ity ianareo, ka halefako any amin\u2019ny tany tsy fantatrareo na ny razambenareo. Any ianareo no hanompo andriamani-kafa andro aman\u2019alina, satria tsy hamindra\u00a0fo aminareo aho.\u201d\u2019",
"14": "\u201c\u2018Ho avy anefa ny andro\u2019, hoy i Jehovah, \u2018izay tsy hilazana intsony hoe: \u201cRaha mbola velona koa i Jehovah, ilay namoaka ny vahoakan\u2019Israely avy tany Ejipta!\u201d",
"15": "Fa izao kosa no holazaina: \u201cRaha mbola velona koa i Jehovah, ilay namoaka ny vahoakan\u2019Israely avy tany amin\u2019ilay tany any avaratra, sy avy tany amin\u2019ny toerana rehetra nanaparitahany azy!\u201d Hampodiko ao amin\u2019ny taniny izy ireo, dia ilay tany nomeko ny razambeny.\u2019",
"16": "\u2018Haniraka mpanjono maro aho\u2019, hoy i Jehovah, \u2018Mba hanjono azy ireo. Haniraka mpihaza be dia\u00a0be aho avy\u00a0eo, Mba hihaza azy eny amin\u2019ny tendrombohitra sy havoana rehetra Ary eny an-tsefatsefaky ny harambato.",
"17": "Fa hitan\u2019ny masoko daholo izay ataon\u2019izy ireo. Tsy misy miafina eo anatrehako izy ireo, Ary miharihary eo imasoko ny fahadisoany.",
"18": "Voalohany aloha, dia hosaziko araka izay sahaza azy izy ireo noho ny fahadisoany sy ny fahotany. Fa nolotoiny tamin\u2019ny fatin\u2019ireo sampiny maharikoriko ny taniko, Ary nofenoiny zava-maharikoriko ny lovako.\u2019\u201d",
"19": "Jehovah\u00a0\u00f4, ianao no heriko sy manda fiarovana ho\u00a0ahy Ary toerana fandosirako amin\u2019ny andro fahoriana. Hankany aminao ny firenena avy any amin\u2019ny faran\u2019ny tany, Ka hilaza hoe: \u201cLainga tanteraka no nolovan\u2019ny razambenay, Dia zava-poana tsy misy ilana azy sady tsy mahasoa.\u201d",
"20": "Mahavita manao andriamanitra hivavahany ve ny olombelona? Tsy tena andriamanitra no vitany.",
"21": "\u201cKoa hataoko fantany Ny heriko sy\u00a0ny\u00a0tanjako amin\u2019ity indray mandeha ity. Hasehoko azy ireo izany, Ka tsy maintsy ho fantany fa Jehovah no anarako.\u201d"
},
"17": {
"1": "\u201cVoasoratra tamin\u2019ny penina vy ny fahotan\u2019ny Joda, Sady vita sokitra tamin\u2019ny tendrona diamondra, eo amin\u2019ny fon\u2019izy ireo Sy eo amin\u2019ny tandroky ny alitarany.",
"2": "Na ny taranany aza mahatadidy ny alitara sy ny tsato-kazo masina nataon\u2019izy ireo Teny akaikin\u2019ny hazo midoroboka, teny amin\u2019ny havoana,",
"3": "Ary teny an-tendrombohitra any ambanivohitra. Homeko ho an\u2019ny mpandroba ny fanananao sy ny harenanao rehetra. Homeko azy ny toerana avo naorinao, noho ny fahotana nataonao nanerana ny taninao.",
"4": "Hafoinao an-tsitrapo ny lova nomeko anao. Ary hasaiko manompo ny fahavalonao any amin\u2019ny tany tsy fantatrao ianao, Satria narehitrao toy ny afo ny fahatezerako. Dia hirehitra mandrakizay izany.\u201d",
"5": "Izao no lazain\u2019i Jehovah: \u201cVoaozona izay olona matoky olona Sy miantehitra amin\u2019ny herin\u2019olombelona, Ka miala amin\u2019i Jehovah ny fony.",
"6": "Ho toy ny hazo tokana any amin\u2019ny tany karakaina izy. Tsy mba hahita zava-tsoa izy, Fa hipetraka any amin\u2019ny faritra ngazana any an-tany efitra, Any amin\u2019ny tanin-tsira tsy azo ipetrahana.",
"7": "Hotahina izay olona matoky an\u2019i Jehovah Sy miantehitra amin\u2019i Jehovah.",
"8": "Ho toy ny hazo nambolena eo amoron-drano izy, Dia hazo mampisandrahaka ny fakany hatrany amin\u2019ny renirano. Tsy ho tsapany akory ny hafanana, Fa handrobona foana ny raviny. Ary na dia amin\u2019ny taona isian\u2019ny hain-tany aza, dia tsy hanahy\u00a0izy Fa mbola hamokatra foana.",
"9": "Mamitaka mihoatra noho ny zava-drehetra ny fo, sady sarotra fehezina. Iza no mahalala ny momba azy?",
"10": "Izaho Jehovah no mandinika ny\u00a0fo Sy mamantatra ny eritreritra lalina indrindra, Mba hamaliako ny tsirairay araka izay ataony, Sy araka ny vokatry ny asany.",
"11": "Izay manao ny tsy marina mba hahazoana harena, Dia toy ny tsipoy manangona atody tsy azy. Handao azy izany harenany izany raha vao misasaka ny androm-piainany, Ary ho hita amin\u2019ny farany fa tsy misy saina izy.\u201d",
"12": "Seza fiandrianana be\u00a0voninahitra, izay efa nasandratra hatrany am-boalohany, No toerana masina ho antsika.",
"13": "Ry Jehovah, fanantenan\u2019ny Israely\u00a0\u00f4! Ho menatra izay rehetra mahafoy anao. Hosoratana eo amin\u2019ny vovoka ny anaran\u2019ireo mivadi-pinoana sy miala aminao, Noho izy ireo miala amin\u2019i Jehovah, ilay loharanon\u2019ny rano velona.",
"14": "Sitrano aho, Jehovah\u00a0\u00f4, dia ho sitrana. Vonjeo aho, dia ho voavonjy, Fa ianao no deraiko.",
"15": "Misy milaza amiko hoe: \u201cAiza koa izay tenin\u2019i Jehovah eo? Aoka ho tanteraka amin\u2019izay izany!\u201d",
"16": "Izaho kosa anefa tsy nitsoaka tsy ho mpiandry ondry fa mbola nanaraka anao. Tsy naniry ny hahatongavan\u2019ny andro iavian\u2019ny loza koa aho. Fantatrao tsara ny teny rehetra naloaky ny vavako. Teo anatrehanao no nitranga izany rehetra izany.",
"17": "Aza manao izay hampihorohoro ahy. Ianao no fialofako amin\u2019ny andro iavian\u2019ny loza.",
"18": "Aoka ho menatra ireo mpanenjika ahy, Fa izaho kosa aoka tsy ho menatra. Aoka hihorohoro izy ireo, Fa izaho kosa aoka tsy hihorohoro. Ataovy tonga aminy ny andro iavian\u2019ny loza, Ka torotoroy izy ireo ary aringano tanteraka.",
"19": "Izao no nolazain\u2019i Jehovah tamiko: \u201cMandehana mijoro eo amin\u2019ny vavahadin\u2019ny zana-bahoaka, izay fandalovan\u2019ireo mpanjakan\u2019ny Joda rehefa miditra sy mivoaka, ary eo amin\u2019ny vavahady rehetra ao Jerosalema.",
"20": "Lazao amin\u2019izy ireo hoe: \u2018Henoy ny tenin\u2019i Jehovah, ry\u00a0mpanjakan\u2019ny Joda, sy ianareo rehetra vahoakan\u2019i Joda sy mponin\u2019i Jerosalema, izay miditra eo amin\u2019ireto vavahady ireto.",
"21": "Izao no lazain\u2019i Jehovah: \u201cMitandrema mba tsy hitondra entana amin\u2019ny andro sabata, na hampiditra an\u2019izany eo amin\u2019ireo vavahadin\u2019i Jerosalema.",
"22": "Aza mitondra entana avy ao an-tranonareo rehefa Sabata ny andro, ary aza manao asa na inona na inona. Fa hamasino ny andro sabata, araka ny didy nomeko ny razambenareo.",
"23": "Tsy nihaino anefa izy ireo na nanongilan-tsofina, fa mafy loha tsy nety nankat\u00f2 na nandray anatra.\u201d\u2019",
"24": "\u201c\u2018\u201cRaha mankat\u00f2 ahy an-tsakany sy an-davany anefa ianareo\u201d, hoy i Jehovah, \u201cka tsy mampiditra entana eo amin\u2019ireo vavahadin\u2019ity tan\u00e0na ity rehefa Sabata ny andro, sady manamasina ny andro sabata ka tsy manao asa na inona na inona,",
"25": "dia hiditra eo amin\u2019ireo vavahadin\u2019ity tan\u00e0na ity koa ireo mpanjaka sy andriana mipetraka eo amin\u2019ny seza fiandrianan\u2019i Davida. Hitaingina kalesy sy soavaly izy ireo sy ny andrianany ary ny fokon\u2019i Joda sy ny mponin\u2019i Jerosalema, amin\u2019izay fotoana izay. Dia honenana mandrakizay ity tan\u00e0na ity.",
"26": "Ary ho avy ny olona avy any amin\u2019ireo tan\u00e0nan\u2019i Joda, avy any amin\u2019ny manodidina an\u2019i Jerosalema, ny tanin\u2019i Benjamina, ny faritra iva, ny faritra be\u00a0tendrombohitra, ary ny avy any Negeba. Hitondra fanatitra ao an-tranon\u2019i Jehovah izy ireo, dia fanatitra dorana manontolo, sorona, fanatitra varimbazaha, ditin-kazo manitra, ary sorona fisaorana.",
"27": "\u201c\u2018\u201cFa raha tsy mankat\u00f2 ahy kosa ianareo ka tsy manamasina ny andro sabata, fa mitondra entana sy mampiditra an\u2019izany eo amin\u2019ireo vavahadin\u2019i Jerosalema na Sabata aza ny andro, dia hodorako ireo vavahadiny. Dia ho levon\u2019ny afo ireo tilikambo voaro mafy ao Jerosalema, ary tsy hovonoina izany afo izany.\u201d\u2019\u201d"
},
"18": {
"1": "Niteny tamin\u2019i Jeremia i Jehovah hoe:",
"2": "\u201cMitsang\u00e0na dia mid\u00ecna any an-tranon\u2019ny mpanefy tanimanga, fa any aho no hilaza aminao ny teniko.\u201d",
"3": "Dia nidina tany an-tranon\u2019ny mpanefy tanimanga aho, ka nahita azy niasa teo amin\u2019ilay milina mihodinkodina fampiasany.",
"4": "Simban\u2019ny tanan\u2019ilay mpanefy tanimanga anefa ilay vilany nataony. Novany ho zavatra hafa \u00e0ry ilay izy, araka izay tiany.",
"5": "Dia niteny tamiko indray i Jehovah hoe:",
"6": "\u201c\u2018Tsy afaka manao aminareo hoatran\u2019ny nataon\u2019io mpanefy tanimanga io koa ve aho, ry\u00a0taranak\u2019Israely?\u2019, hoy i Jehovah. \u2018Toy ny tanimanga eny an-tanan\u2019ny mpanefy tanimanga ianareo eto an-tanako, ry\u00a0taranak\u2019Israely\u00a0\u00f4!",
"7": "Isaky ny milaza aho hoe hanongotra sy handrodana ary handrava firenena na fanjakana iray,",
"8": "nefa miala amin\u2019ilay faharatsiana nanamelohako azy ilay firenena, dia hiova hevitra aho ka tsy hampihariko aminy indray ilay loza nokasaiko hamelezana azy.",
"9": "Fa isaky ny milaza kosa aho hoe hanorina sy hamboly firenena na fanjakana iray,",
"10": "nefa manao ratsy eo imasoko izy ka tsy mankat\u00f2 ny teniko, dia hiova hevitra aho ka tsy hataoko aminy indray ilay zavatra tsara nokasaiko hatao aminy.\u2019",
"11": "\u201cMba lazao amin\u2019ny fokon\u2019i Joda sy ny mponin\u2019i Jerosalema \u00e0ry hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah: \u201cEfa manomana loza ho anareo aho ary efa mieritreritra ny fomba hamelezana anareo. Koa mial\u00e0\u00a0re amin\u2019ny lalan-dratsinareo\u00a0e, ary ahitsio ny lalanareo sy ny fanaonareo.\u201d\u2019\u201d",
"12": "Hoy anefa izy ireo: \u201cAza manantena an\u2019izany! Fa izay efa noeritreretinay ihany no hataonay, ary samy hikiry hanao izay tianay izahay.\u201d",
"13": "Koa izao no lazain\u2019i Jehovah: \u201cMba anontanio, azafady, ny olona any amin\u2019ireo firenena. Iza no efa nandre zavatra hoatr\u2019izany? Nanao zavatra faran\u2019izay mahatsiravina ny Israely virjiny.",
"14": "Tsy misy lanezy intsony ve eny amin\u2019ny vatolampy, eny amin\u2019ny tehezan\u2019i Lib\u00e0na? Ho ritra ve ny rano mangatsiatsiaka mikoriana avy lavitra?",
"15": "Nanadino ahy anefa ny vahoakako. Manao sorona ho an\u2019ny zavatra tsy misy dikany mantsy izy ireo, Ary manao izay hahatafintohina ny olona eny amin\u2019ny lalany, dia ny lalana fahiny, Mba handehanan\u2019izy ireny eny amin\u2019ny lalan-kely mikitoantoana sy tsy mitovy tantana.",
"16": "Koa hanjary hihorohoro ny olona mahita ny tanin\u2019izy ireo, Ary hisioka haneso azy io mandrakizay. Ho tsiravina izay mpandalo rehetra mahita azy, ka hihivingivin-doha.",
"17": "Haparitako eo anoloan\u2019ny fahavalony izy ireo, toy ny ataon\u2019ny rivotra avy any atsinanana. Hanome lamosina azy ireo aho fa tsy hanatrika azy, amin\u2019ny andro hahitany loza.\u201d",
"18": "Dia hoy izy ireo: \u201cAndao isika hanao tetika hamelezana an\u2019i Jeremia, satria mbola ho eo foana ny lal\u00e0na avy amin\u2019ny mpisorontsika, ny torohevitra avy amin\u2019ny olon-kendry, ary ny teny avy amin\u2019ny mpaminany. Andao isika hiampanga azy, ary aza miraharaha an\u2019izay lazainy.\u201d",
"19": "Henoy aho, Jehovah\u00a0\u00f4, Ary henoy ny tenin\u2019ireo mpanohitra ahy.",
"20": "Dia ratsy ve no havaly ny soa? Fa nihady lavaka hamonoana ahy izy ireo. Tsarovy ny nitsanganako teo anatrehanao mba hilaza zavatra tsara momba azy ireo, Amin\u2019izay dia tsy ho tezitra aminy intsony ianao.",
"21": "Koa ataovy matin\u2019ny mosary ny zanany, Ary atolory ho fatin\u2019ny sabatra izy ireo. Enga anie ny vadiny ho maty zanaka, ary ho lasa mpitondratena! Enga anie ho fatin\u2019ny aretina ny lehilahy eo aminy, Ary ny tovolahy ho fatin\u2019ny sabatra any an\u2019ady!",
"22": "Aoka hisy fidradradradrana ho re avy ao an-tranon\u2019izy ireo, Rehefa asainao manafika azy tampoka ny mpandroba. Nihady lavaka mantsy izy ireo mba hisamborana ahy, Ary nanisy fandrika hamandrihana ny tongotro.",
"23": "Fa ianao kosa Jehovah\u00a0\u00f4, Mahafantatra tsara ny tetika rehetra ataon\u2019izy ireo mba hamonoana ahy ho faty. Aza manarona ny fahadisoany, Ary aza kosehina tsy ho eo anatrehanao ny fahotany. Aoka izy ireo ho tafintohina eo anatrehanao, Rehefa mamely azy ireo ianao, noho ny fahatezeranao."
},
"19": {
"1": "Izao no nolazain\u2019i Jehovah: \u201cMandehana mividy jaogy\u00a0kely any amin\u2019ny mpanefy tanimanga, ary miantsoa anti-panahy eo amin\u2019ny vahoaka sy anti-panahy mpisorona.",
"2": "Dia mivoaha eny amin\u2019ny Lohasahan\u2019ny Taranak\u2019i Hinoma, eo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny Vavahadin\u2019ny Vakim-bilany Tanimanga, ka ambarao eny izay teny holazaiko aminao.",
"3": "Izao no holazainao: \u2018Henoy ny tenin\u2019i Jehovah, ry\u00a0mpanjakan\u2019ny Joda sy mponin\u2019i Jerosalema. Izao no lazain\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, Andriamanitry ny Israely: \u201c\u2018\u201cHahatonga loza amin\u2019ity toerana ity aho, ka hangorintsina ny sofin\u2019izay mandre an\u2019izany.",
"4": "Niala tamiko mantsy izy ireo, ary nataony izay tsy hahafantarana intsony an\u2019ity toerana ity. Eto izy ireo no manao sorona ho an\u2019ny andriamani-kafa, dia andriamanitra tsy fantatr\u2019izy ireo sy ny razambeny sady tsy fantatry ny mpanjakan\u2019ny Joda. Ary nataony feno ran\u2019olona tsy manan-tsiny ity toerana ity.",
"5": "Nanorina an\u2019ireo toerana\u00a0avo ho an\u2019i Bala koa izy ireo mba handoroany ny zanany ao anaty afo, ho fanatitra dorana manontolo ho an\u2019i Bala. Tsy nandidy azy hanao an\u2019izany anefa aho na niresaka an\u2019izany taminy, ary tsy tao an-tsaiko akory aza izany.\u201d\u2019",
"6": "\u201c\u2018\u201cKoa ho avy ny andro\u201d, hoy i Jehovah, \u201cizay tsy hiantsoana an\u2019ity toerana ity intsony hoe Tofeta na Lohasahan\u2019ny Taranak\u2019i Hinoma, fa hoe Lohasaha Famonoana.",
"7": "Hataoko tsy tanteraka eto amin\u2019ity toerana ity ny tetika nataon\u2019i Joda sy Jerosalema, ary hataoko matin\u2019ny sabatry ny fahavalony sy maty eo am-pelatanan\u2019 ireo mitady hamono azy izy ireo. Dia homeko ho sakafon\u2019ny voro-manidina sy ny bibidia ny fatiny.",
"8": "Ary hataoko mihorohoro ny olona mahita an\u2019izay hanjo an\u2019ity tan\u00e0na ity ary hisioka haneso azy. Ho tsiravina izay mpandalo rehetra mahita azy, ka hisioka noho ny loza rehetra nanjo azy.",
"9": "Hampihinaniko ny nofon\u2019ny zanany lahy sy ny zanany vavy izy ireo, ary samy hihinana ny nofon\u2019ny namany avy. Hanao fahirano azy ireo mantsy ny fahavalony sy ireo mitady hamono azy, ka ho very hevitra izy ireo.\u201d\u2019",
"10": "\u201cDia poteho eo anatrehan\u2019ireo olona miaraka aminao ilay jaogy\u00a0kely.",
"11": "Ary lazao amin\u2019izy ireo hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika: \u201cHopotehiko hoatr\u2019izao ity vahoaka ity sy ity tan\u00e0na ity, hoatran\u2019ny ataon\u2019ny olona iray manapotika vilany tanimanga mba tsy ho azo amboarina intsony. Dia haleviny ao Tofeta izay maty, mandra-paha tsy hisy toerana handevenana azy ireo intsony ao.\u201d\u2019",
"12": "\u201c\u2018Izany no hataoko amin\u2019ity toerana ity sy ny mponina ao\u2019, hoy i Jehovah. \u2018Hataoko hoatran\u2019i Tofeta ity tan\u00e0na ity.",
"13": "Dia hanjary haloto hoatran\u2019ny eto Tofeta ireo trano ao Jerosalema sy ny tranon\u2019ireo mpanjakan\u2019ny Joda. Haloto izay trano rehetra nanolorana fanatitra teny an-tampony, izany hoe nanaovana sorona ho an\u2019izay rehetra eny amin\u2019ny lanitra, sady nandrarahana fanatitra zava-pisotro ho an\u2019ny andriamani-kafa.\u2019\u201d",
"14": "Rehefa tafaverina avy tany Tofeta, izay nanirahan\u2019i Jehovah azy mba haminany, i Jeremia, dia nitsangana teo an-tokotanin\u2019ny tranon\u2019i Jehovah. Dia hoy izy tamin\u2019ny vahoaka rehetra:",
"15": "\u201cIzao no lazain\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, Andriamanitry ny Israely: \u2018Hataoko tonga amin\u2019ity tan\u00e0na ity sy ny tan\u00e0na keliny rehetra ny loza rehetra nolazaiko hamelezana azy, satria mafy loha tsy nety nankat\u00f2 ny teniko izy ireo.\u2019\u201d"
},
"20": {
"1": "Nihaino an\u2019i Jeremia i Pasora mpisorona, zanak\u2019i Imera, rehefa nilaza an\u2019izany faminaniana izany izy. Lehiben\u2019ny mpiadidy tao an-tranon\u2019i Jehovah i Pasora.",
"2": "Dia nikapoka an\u2019i Jeremia mpaminany izy ary nanagadra azy tamin\u2019ny gadra hazo, teo amin\u2019ny Vavahadin\u2019i Benjamina, dia ilay vavahady ambony mankao amin\u2019ny tranon\u2019i Jehovah.",
"3": "Nasain\u2019i Pasora nesorina teo amin\u2019ilay gadra\u00a0hazo anefa i Jeremia ny ampitson\u2019iny. Dia hoy i Jeremia taminy: \u201cTsy Pasora intsony no iantsoan\u2019i Jehovah anao, fa hoe Horohoro Hatraiza Hatraiza.",
"4": "Fa izao no lazain\u2019i Jehovah: \u2018Hataoko mihorohoro ianao sy ny namanao rehetra, rehefa mahita an\u2019izay hanjo anao. Hovonoin\u2019ny fahavalony amin\u2019ny sabatra izy ireo, ary hahita an\u2019izany ny masonao. Hataoko resin\u2019ny mpanjakan\u2019i Babylona koa ny Joda rehetra, ka hataony sesitany any Babylona ary hovonoiny amin\u2019ny sabatra.",
"5": "Homeko an\u2019ireo fahavalony ny harena rehetra ato amin\u2019ity tan\u00e0na ity, sy ny fananana sy ny zava-tsarobidy rehetra ato, ary ny harena rehetran\u2019ireo mpanjakan\u2019ny Joda. Dia horobain\u2019ny fahavalony sy halainy ireny, ary hoentiny any Babylona.",
"6": "Ary ianao kosa, ry\u00a0Pasora, ho lasa babo ianao sy izay rehetra mipetraka ao an-tranonao. Ho lasa any Babylona ianao ka ho faty any, ary halevina any miaraka amin\u2019ny namanao rehetra, noho ianao naminany lainga tamin\u2019izy ireo.\u2019\u201d",
"7": "Nofitahinao aho, Jehovah\u00a0\u00f4, ka voafitaka. Nampiasa ny herinao tamiko ianao, ka nandresy. Ataon\u2019ny olona fihomehezana aho tontolo andro. Esoin\u2019izy rehetra aho.",
"8": "Fa isaky ny miteny aho, dia tsy maintsy mitaraina sy miantsoantso hoe: \u201cHerisetra sy fandravana!\u201d Atao tsinontsinona sy esoesoina aho tontolo andro, noho ny tenin\u2019i Jehovah.",
"9": "Dia niteny aho hoe: \u201cTsy hiresaka momba azy intsony aho, Na hiteny amin\u2019ny anarany.\u201d Lasa toy ny afo mirehitra ato am-poko sy voahidy ato amin\u2019ny taolako anefa ny teniny, Ka reraky ny mitazona an\u2019ilay izy aho. Tsy vitako intsony ny miaritra an\u2019izany.",
"10": "Fa naheno fanaratsiana aely etsy sy eroa aho. Nanjaka hatraiza hatraiza ny horohoro. Hoy izy ireo: \u201cAmpangao izy! Andao isika hiampanga azy!\u201d Miandry izay hahasolafaka ahy ny olona rehetra mirary soa ho ahy, ka miteny hoe: \u201cAngamba izy hanao hadalana, Dia ho afaka handresy sy hamaly faty azy isika.\u201d",
"11": "Teo akaikiko teo toy ny miaramila mampahatahotra anefa i Jehovah, Ka ho tafintohina sy tsy haharesy ireo mpanenjika ahy. Ho menatra be izy ireo satria tsy hahavoa. Ho afa-baraka mandrakizay izy ireo, ary tsy hohadinoina mihitsy izany.",
"12": "Ianao kosa anefa, Jehovah Tompon\u2019ny tafika\u00a0\u00f4, no mandinika ny olo-marina! Hitanao ny eritreritra lalina indrindra sy ny fo. Avelao aho hahita ny hamalianao azy ireny, Satria ianao no nanankinako ny ady nataoko teny amin\u2019ny fitsarana!",
"13": "Mihir\u00e0 ho an\u2019i Jehovah! Mider\u00e0 an\u2019i Jehovah! Fa mamonjy ny mahantra avy eo an-tanan\u2019ny mpanao ratsy izy.",
"14": "Ho voaozona anie ny andro nahaterahako! Tsy hotahina anie ny andro niterahan\u2019i Neny ahy!",
"15": "Ho voaozona anie ilay olona nilaza vaovao tsara tamin\u2019i Dada hoe: \u201cTera-dahy ianao!\u201d Faly be i Dada tamin\u2019izay.",
"16": "Enga anie izany olona izany ho lasa hoatran\u2019ireo tan\u00e0na noravan\u2019i Jehovah nefa tsy nanenenany! Handre antsoantso anie izy amin\u2019ny maraina ary haheno fanairana amin\u2019ny mitataovovonana.",
"17": "Fa maninona aho no tsy novonoiny tany an-kibo, Mba ho lasa fasako i Neny Ka ho bevohoka ahy eny foana?",
"18": "Fa maninona re aho no tsy maintsy nivoaka avy tao an-kibo\u00a0e, Mba hahita fijaliana sy alahelo, Ka hifarana amin-kenatra ny androm-piainako?"
},
"21": {
"1": "Nahazo hafatra avy tamin\u2019i Jehovah i Jeremia, rehefa nirahin\u2019i Zedekia Mpanjaka ho any aminy i Pasora zanak\u2019i Malkia sy Zefania mpisorona zanak\u2019i Mahaseia, mba hilaza hoe:",
"2": "\u201cMba anontanio i Jehovah hoe inona no hitranga amintsika, fa miady amintsika i Nebokadnezara mpanjakan\u2019i Babylona. Angamba hanao zavatra iray mahatalanjona ho antsika indray i Jehovah hoatran\u2019ny efa nataony, mba hialan\u2019i Nebokadnezara eto amintsika.\u201d",
"3": "Hoy i Jeremia tamin\u2019izy roa lahy: \u201cLazao amin\u2019i Zedekia hoe:",
"4": "\u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely: \u201cAtaoko mifotitra aminareo ny fitaovam-piadiana eny an-tananareo, dia izay ampiasainareo mba hiadiana amin\u2019ny mpanjakan\u2019i Babylona sy ny Kaldeanina manao fahirano anareo any ivelan\u2019ny manda. Hangoniko eo afovoan\u2019ity tan\u00e0na ity izy ireny.",
"5": "Dia izaho mihitsy no hiady aminareo ka hanatsotra ny tanako sy hampiasa ny sandriko mahery, sady ho tezitra sy ho vinitra ary hisafoaka aminareo.",
"6": "Hamely an\u2019izay monina eto amin\u2019ity tan\u00e0na ity aho, na olona izany na biby. Ho fatin\u2019ny areti-mandringana tena mahery izy ireo.\u201d\u2019",
"7": "\u201c\u2018\u201cAorian\u2019izany\u201d, hoy i Jehovah, \u201cdia izao no hataoko amin\u2019i Zedekia mpanjakan\u2019ny Joda sy ny mpanompony ary ny vahoaka ato amin\u2019ity tan\u00e0na ity, dia ireo tsy matin\u2019ny areti-mandringana sy ny sabatra ary ny mosary: Hataoko resin\u2019i Nebokadnezara mpanjakan\u2019i Babylona izy ireo, ary hataoko resin\u2019ny fahavalony sy ireo mitady hamono azy. Hamely azy ireo amin\u2019ny sabatra i Nebokadnezara. Tsy hiantra izy na hangoraka na hamindra\u00a0fo.\u201d\u2019",
"8": "\u201cAry lazao amin\u2019ity vahoaka ity hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah: \u201cAtaoko eo anoloanareo ny lalan\u2019ny fiainana sy ny lalan\u2019ny fahafatesana.",
"9": "Ho fatin\u2019ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izay mijanona ato amin\u2019ity tan\u00e0na ity. Fa izay mivoaka kosa ka mitolo-batana any amin\u2019ny Kaldeanina, izay manao fahirano anareo, dia tsy ho faty fa ny ainy no ho babony.\u201d\u2019",
"10": "\u201c\u2018\u201cFa manohitra an\u2019ity tan\u00e0na ity aho ka loza no hahazo azy fa tsy zava-tsoa\u201d, hoy i Jehovah. \u201cHataoko resin\u2019ny mpanjakan\u2019i Babylona ity tan\u00e0na ity, dia hodorany.\u201d",
"11": "\u201c\u2018Henoy ny tenin\u2019i Jehovah, ry\u00a0ankohonan\u2019ny mpanjakan\u2019ny Joda.",
"12": "Ry taranak\u2019i Davida\u00a0\u00f4, izao no lazain\u2019i Jehovah: \u201cManaova foana ny rariny isa-maraina, Ary vonjeo eo an-tanan\u2019ilay nanambaka azy izay nambakaina, Sao hirehitra toy ny afo ny fahatezerako Ka hiredareda nefa tsy hisy hamono, Noho ny ratsy nataonareo.\u201d\u2019",
"13": "\u2018Hiady aminao aho, ry\u00a0ilay mipetraka eo amin\u2019ny lohasaha, Ry ilay vatolampy eny amin\u2019ny tany lemaka\u2019, hoy i Jehovah. \u2018Ary ianareo izay milaza hoe: \u201cIza no hidina hiady aminay? Iza no hanafika ny fonenanay?\u201d,",
"14": "Hataoko ampamoaka ianareo Noho izay nataonareo\u2019, hoy i\u00a0Jehovah. \u2018Ary hodorako ny alany, Ka ho levon\u2019ny afo ny zava-drehetra manodidina azy.\u2019\u201d"
},
"22": {
"1": "Izao no lazain\u2019i Jehovah: \u201cMid\u00ecna any an-tranon\u2019ny mpanjakan\u2019ny Joda, ka lazao any ity hafatra ity.",
"2": "Lazao hoe: \u2018Henoy ny tenin\u2019i Jehovah, ry\u00a0mpanjakan\u2019ny Joda mipetraka eo amin\u2019ny seza fiandrianan\u2019i Davida, dia ianao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao, izay miditra amin\u2019 ireto vavahady ireto.",
"3": "Izao no lazain\u2019i Jehovah: \u201cManaova ny rariny sy ny hitsiny. Vonjeo eo an-tanan\u2019ilay manambaka azy izay ambakaina. Aza mampijaly an\u2019ireo hafa firenena monina eo aminareo, ary aza mampahory ny kamboty ray na ny mpitondratena. Aza mandatsaka ran\u2019olona tsy manan-tsiny eto amin\u2019ity toerana ity.",
"4": "Fa raha tena mankat\u00f2 an\u2019izany teny izany ianareo, dia hiditra amin\u2019ny vavahadin\u2019ity trano ity ireo mpanjaka mipetraka eo amin\u2019ny seza fiandrianan\u2019i Davida. Ary hitaingina kalesy sy soavaly izy ireo sy ny mpanompony ary ny vahoakany, amin\u2019izany fotoana izany.\u201d\u2019",
"5": "\u201c\u2018Raha tsy mankat\u00f2 an\u2019izany teny izany kosa ianareo, dia mianiana amin\u2019ny tenako aho\u2019, hoy i Jehovah, \u2018fa ho rava ity trano ity.\u2019",
"6": "\u201cFa izao no lazain\u2019i Jehovah momba ny tranon\u2019ny mpanjakan\u2019ny Joda: \u2018Hoatran\u2019i Gileada ianao amiko Sady hoatran\u2019ny tampon\u2019i Lib\u00e0na. Hataoko lasa tany efitra anefa ianao, Ary tsy hisy hipetraka ireo tan\u00e0nanao.",
"7": "Dia hanendry mpandrava hanafika anao aho. Samy hitondra ny fitaovam-piadiany izy ireny. Hokapainy ny hazo sedera tsara indrindra eo aminao, Dia hazerany ao anaty afo.",
"8": "\u201c\u2018Firenena maro no handalo eo akaikin\u2019ity tan\u00e0na ity ka hifanontany hoe: \u201cFa naninona \u00e0ry no dia nataon\u2019i Jehovah hoatr\u2019izao ity tan\u00e0na lehibe ity?\u201d",
"9": "Dia hisy hamaly hoe: \u201cSatria nivadika tamin\u2019ny fifanekena nifanaovany tamin\u2019i Jehovah Andriamaniny izy ireo, ka niankohoka tamin\u2019ny andriamani-kafa sy nanompo an\u2019ireny.\u201d\u2019",
"10": "Aza mitomany an\u2019ilay efa maty, Ary aza malahelo azy. Aoka kosa ianareo hitomany\u00a0be an\u2019ilay handeha, Satria tsy hiverina intsony izy ka tsy hahita an\u2019ilay tany nahaterahany.",
"11": "\u201cFa izao no lazain\u2019i Jehovah momba an\u2019i Saloma zanak\u2019i Josia, dia ilay mpanjakan\u2019ny Joda nandimby an\u2019i Josia rainy sy niala teto amin\u2019ity toerana ity: \u2018Tsy hiverina at\u1ef3 intsony izy.",
"12": "Fa ho faty any amin\u2019ny toerana anaovana sesitany azy izy, ka tsy ho hitany intsony ity tany ity.\u2019",
"13": "Hahita loza izay manorina trano nefa manao ny tsy marina, Ary manao efitra ambony nefa manao ny tsy rariny. Mampiasa olona izy nefa miasa maina fotsiny izy ireny, Fa tsy omeny karama.",
"14": "Hahita loza izay milaza hoe: \u2018Hanao trano lehibe ho an\u2019ny tenako aho, Dia trano misy efitra ambony rihana malalaka\u00a0be. Hasiako varavarankely ilay izy, Ary hopetahako takela-kazo sedera, dia holokoako mena volon-daoranjy.\u2019",
"15": "Mbola hanjaka foana ve ianao satria hoe nampiasa hazo sedera betsaka kokoa noho ny hafa? Nihinana sy nisotro koa ny rainao, Nefa nanao ny rariny sy ny hitsiny izy, Ka nahita soa.",
"16": "Niaro ny zon\u2019ny olona mijaly sy ny mahantra izy, Ka nahita soa. \u2018Tsy izany ve no atao hoe mahalala ahy?\u2019, hoy i Jehovah.",
"17": "\u2018Ny masonao sy ny fonao kosa tsy mieritreritra afa-tsy ny haka tombony azo amin\u2019ny tsy marina, Sy handatsaka ran\u2019olona tsy manan-tsiny, Ary hanambaka sy haka an-keriny.\u2019",
"18": "\u201cKoa izao no lazain\u2019i Jehovah momba an\u2019i Joiakima zanak\u2019i Josia, mpanjakan\u2019ny Joda: \u2018Tsy hisy hisaona azy, ka hiteny hoe: \u201cIndrisy, ry\u00a0rahalahiko! Indrisy, ry\u00a0anabaviko!\u201d Tsy hisy hisaona azy, ka hiteny hoe: \u201cIndrisy, ry\u00a0tompoko! Indrisy, ry\u00a0ilay hajaina!\u201d",
"19": "Halevina toy ny fandevina ampondra izy, Ka hotaritaritina sy hariana Any ivelan\u2019ny vavahadin\u2019i Jerosalema.\u2019",
"20": "Miakara any Lib\u00e0na ka miantsoantsoa, Ary ataovy heno any Basana ny feonao. Miantsoantsoa any Abarima, Satria ripaka daholo ireo lehilahy niaraka taminao.",
"21": "Niteny anao aho tamin\u2019ianao mbola niadana, Saingy hoy ianao: \u2018Tsy hankat\u00f2 aho.\u2019 Efa izany no fanaonao hatramin\u2019ianao mbola kely. Tsy nankat\u00f2 ny teniko mantsy ianao.",
"22": "Hopaohin\u2019ny rivotra ireo mpiandry ondry rehetra ao aminao, Ary ho lasa babo ireo lehilahy niaraka taminao. Dia ho menatra sy ho afa-baraka ianao, noho ny loza rehetra hanjo anao.",
"23": "Ry ilay mipetraka any Lib\u00e0na, Izay manao akany eny amin\u2019ny sedera, Hitaraindraina ianao rehefa manaintaina mafy, Manaintaina hoatran\u2019ny vehivavy efa ho teraka!\u201d",
"24": "\u201c\u2018Raha mbola velona koa aho\u2019, hoy i Jehovah, \u2018dia hotsoahako hiala eo an-tanako ianao, ry\u00a0Konia zanak\u2019i Joiakima, mpanjakan\u2019ny Joda, na dia toy ny peratra fanombohan-kase eto amin\u2019ny tanako ankavanana aza!",
"25": "Dia hatolotro eo an-tanan\u2019ireo mitady hamono anao sy ireo atahoranao ianao, dia i Nebokadnezara mpanjakan\u2019i Babylona sy ny Kaldeanina.",
"26": "Ary hatsipiko any an-tany hafa tsy nahaterahanareo ianao sy ny reninao niteraka anao, ka any ianareo no ho faty.",
"27": "Tsy ho tafaverina intsony ao amin\u2019ilay tany iriny hiverenana izy ireo.",
"28": "Vilany natao tsinontsinona sy novakina ve ity lehilahy atao hoe Konia ity, Izany hoe fitaovana tsy misy mpitia? Nahoana izy sy ny taranany no natsipy Sy nariana any amin\u2019ny tany tsy fantany?\u2019",
"29": "Ry tany\u00a0\u00f4! Ry tany\u00a0\u00f4! Ry\u00a0tany\u00a0\u00f4! Henoy ny tenin\u2019i Jehovah.",
"30": "Izao no lazain\u2019i Jehovah: \u2018Soraty ho toy ny hoe tsy manan-janaka io lehilahy\u00a0io, Dia lehilahy tsy hahomby mihitsy mandritra ny androm-piainany. Fa tsy hisy amin\u2019ny taranany hahavita Hipetraka eo amin\u2019ny seza fiandrianan\u2019i Davida sy hanjaka ao Joda indray.\u2019\u201d"
},
"23": {
"1": "\u201cHahita loza ireo mpiandry ondry mandripaka sy manaparitaka ny ondry ao an-kijanako!\u201d, hoy i Jehovah.",
"2": "Izao \u00e0ry no lazain\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely mba hanamelohana an\u2019ireo mpiandry izay miandry ny vahoakany: \u201cAparitakareo ny ondriko. Aelinareo izy ireo, fa tsy karakarainareo.\u201d \u201cKoa tsy hananako antra ianareo noho ny ratsy nataonareo\u201d, hoy i Jehovah.",
"3": "\u201cDia hangoniko avy any amin\u2019ny tany rehetra nanaparitahako azy ny ondriko sisa, ka haveriko ao amin\u2019ny kijanany. Ho maro anaka sy hihabetsaka izy ireo.",
"4": "Ary hanendry mpiandry izay tena hiandry azy ireo aho. Tsy hatahotra intsony izy ireo na hihorohoro, ary tsy hisy ho very na iray aza\u201d, hoy i Jehovah.",
"5": "\u201cHenoy izao!\u201d, hoy i Jehovah. \u201cHo avy ny andro hampipoirako tsimoka marina ho an\u2019i Davida. Hisy mpanjaka hitondra eo amin\u2019ilay tany. Ho lalin-tsaina izy ary hanao ny rariny sy ny hitsiny.",
"6": "Hovonjena ny Joda ary hilamina ny tanin\u2019ny Israely amin\u2019ny androny. Ary izao no anarana hiantsoana azy: I Jehovah no Fahamarinantsika.\u201d",
"7": "\u201cHo avy anefa ny andro\u201d, hoy i Jehovah, \u201cizay tsy hilazana intsony hoe: \u2018Raha mbola velona koa i Jehovah, ilay namoaka ny vahoakan\u2019Israely avy tany Ejipta!\u2019",
"8": "Fa izao kosa no holazaina: \u2018Raha mbola velona koa i Jehovah, ilay namoaka sy nampody ny taranaky ny vahoakan\u2019Israely avy tany amin\u2019ilay tany any avaratra, sy avy tany amin\u2019ny toerana rehetra nanaparitahako azy.\u2019 Dia hipetraka ao amin\u2019ny taniny izy ireo.\u201d",
"9": "Ary izao no lazaiko amin\u2019ireo mpaminany: Torotoro ny foko ato anatiko. Mangozohozo daholo ny taolako. Hoatran\u2019ny olona mamo aho, Ary toy ny lehilahy avembenan\u2019ny divay, Noho ny amin\u2019i Jehovah sy ny teniny masina.",
"10": "Feno mpanitsakitsa-bady mantsy ilay tany. Misaona koa ilay tany satria voaozona, Ary maina ny kijana any an-tany efitra. Ratsy ny ataon\u2019izy ireo, ary manampatra fahefana izy ireo.",
"11": "\u201cSamy maloto na ny mpaminany na ny mpisorona. Na dia ao an-tranoko aza, dia ahitako ny faharatsian\u2019izy ireo\u201d, hoy i Jehovah.",
"12": "\u201cKoa halama sy ho maizina ny lalana izoran\u2019izy ireo. Hisy hanosika izy ireo, ka ho lavo. Fa hahatonga loza aminy aho, Amin\u2019ny taona hanasaziana azy\u201d, hoy i Jehovah.",
"13": "\u201cHitako ny zavatra maharikoriko ataon\u2019ireo mpaminanin\u2019i Samaria. Maminany amin\u2019ny anaran\u2019i Bala izy ireo, Ary mitarika ny Israely vahoakako any amin\u2019ny lalan-diso.",
"14": "Hitako koa ny zavatra mahatsiravina ataon\u2019ireo mpaminanin\u2019i Jerosalema. Manitsakitsa-bady sy mandainga izy ireo, Ary manohana an\u2019ireo mpanao ratsy. Tsy misy miala amin\u2019ny ratsy fanaony izy ireo. Hoatran\u2019i Sodoma daholo izy ireo amiko, Ary hoatran\u2019i Gomora ny mponina ao.\u201d",
"15": "Izao \u00e0ry no lazain\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika mba hanamelohana an\u2019ireo mpaminany ireo: \u201cHampihinaniko zavamaniry mangidy be izy ireo, Ary hampisotroiko rano misy poizina. Fa miely eran\u2019ilay tany ny fivadiham-pinoana, noho ny ataon\u2019ireo mpaminanin\u2019i Jerosalema.\u201d",
"16": "Izao no lazain\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika: \u201cAza mihaino ny tenin\u2019ireo mpaminany milaza faminaniana aminareo. Mamitaka anareo fotsiny izy ireo. Fahitana avy ao am-pony no lazainy, Fa tsy avy amin\u2019ny vavan\u2019i Jehovah.",
"17": "Izao no averimberiny amin\u2019ireo tsy manaja ahy: \u2018Izao no lazain\u2019i Jehovah: \u201cHiadana ianareo.\u201d\u2019 Ary izay rehetra mikiry manao izay tian\u2019ny fony kosa ataony hoe: \u2018Tsy hisy loza hanjo anareo.\u2019",
"18": "Fa iza no nijoro teo amin\u2019ireo olona akaiky an\u2019i Jehovah Mba hahita sy handre ny teniny? Iza no nanongilan-tsofina mba hihaino ny teniny?",
"19": "Hifofofofo toy ny tafio-drivotra ny fahatezeran\u2019i Jehovah. Ho toy ny rivo-mahery hihodinkodina eo amin\u2019ny lohan\u2019ny ratsy fanahy izany.",
"20": "Tsy hitony ny fahatezeran\u2019i Jehovah Raha tsy efa vitany sy tanterany ny fikasan\u2019ny fony. Ho azonareo tsara izany any am-parany.",
"21": "Tsy naniraka an\u2019ireo mpaminany ireo aho, nefa nihazakazaka nanao an\u2019izany izy ireo. Tsy niteny taminy aho nefa naminany izy ireo.",
"22": "Raha nijoro teo amin\u2019ireo olona akaiky ahy anefa izy ireo, Dia ho nataony izay handrenesan\u2019ny vahoakako ny teniko, Ary ho nasainy niala tamin\u2019ny lalan-dratsiny sy tamin\u2019ny ratsy fanaony izy ireny.\u201d",
"23": "\u201cRehefa akaiky ihany angaha izaho vao Andriamanitra\u201d, hoy i Jehovah, \u201cfa tsy rehefa lavitra koa?\u201d",
"24": "\u201cMisy olona afaka miafina ao amin\u2019ny takona ve ka tsy ho hitako?\u201d, hoy i Jehovah. \u201cTsy manerana ny lanitra sy ny tany ve aho?\u201d, hoy i Jehovah.",
"25": "\u201cEfa reko izay nolazain\u2019ireo mpaminany maminany lainga amin\u2019ny anarako hoe: \u2018Nanonofy aho! Nanonofy aho!\u2019",
"26": "Mandra-pahoviana no mbola ho ao am-pon\u2019ireo mpaminany ireo foana ny hoe haminany lainga? Mpaminany milaza fitaka izy ireo, ka izay ao am-pony fotsiny no lazainy.",
"27": "Mifampitantara ny nofiny izy ireo satria tiany hanadino ny anarako ny vahoakako, hoatran\u2019ny razambeny izay nanadino ny anarako noho izy ireny nanompo an\u2019i Bala.",
"28": "Avelao hitantara ny nofiny izay mpaminany manonofy. Fa izay nanankinana ny teniko kosa, dia tokony ho ny teniko ihany no holazainy.\u201d \u201cInona moa izay mololo raha oharina amin\u2019ny voam-bary?\u201d, hoy i Jehovah.",
"29": "\u201cTsy hoatran\u2019ny afo ve ny teniko\u201d, hoy i Jehovah, \u201cary hoatran\u2019ny marotoan\u2019ny mpanefy, izay manapotipotika harambato?\u201d",
"30": "\u201cKoa hosaziko\u201d, hoy i Jehovah, \u201cireo mpaminany mifangalatra ny teniko.\u201d",
"31": "Hoy koa i Jehovah: \u201cHosaziko ireo mpaminany mampiasa ny lelany hilazana hoe: \u2018Izao no lazainy!\u2019\u201d",
"32": "\u201cHosaziko ireo mpaminany manonofy lainga sy mitantara an\u2019izany\u201d, hoy i Jehovah, \u201cka mitarika ny vahoakako any amin\u2019ny lalan-diso noho izy ireo mandainga sy mirehareha.\u201d \u201cTsy naniraka na nanome baiko azy ireo anefa aho. Koa tsy hahasoa an\u2019ity vahoaka ity mihitsy izy ireo\u201d, hoy i Jehovah.",
"33": "\u201cAry raha manontany anao ity vahoaka ity na ny mpaminany na ny mpisorona hoe: \u2018Inona no enta-mavesatr\u2019i Jehovah?\u2019, dia valio hoe: \u2018\u201cIanareo no enta-mavesatra! Koa hariako ianareo\u201d, hoy i Jehovah.\u2019",
"34": "Ary raha misy mpaminany na mpisorona na olona milaza hoe: \u2018Izao no enta-mavesatr\u2019i Jehovah!\u2019, dia tsy hananako antra izany olona izany sy ny ankohonany.",
"35": "Samy miteny amin\u2019ny namanareo sy ny rahalahinareo avy ianareo hoe: \u2018Inona no navalin\u2019i Jehovah? Ary inona no nolazain\u2019i Jehovah?\u2019",
"36": "Tsy tokony hilaza intsony anefa ianareo hoe enta-mavesatr\u2019i Jehovah, satria ny tenin\u2019ny tsirairay ihany no enta-mavesatra. Novanareo ny tenin\u2019ilay Andriamanitra velona, dia i Jehovah Tompon\u2019ny tafika sady Andriamanitsika.",
"37": "\u201cIzao no holazainao amin\u2019ilay mpaminany: \u2018Inona no navalin\u2019i Jehovah anao? Inona no nolazain\u2019i Jehovah?",
"38": "Ary raha mbola milaza ianareo hoe: \u201cNy enta-mavesatr\u2019i Jehovah!\u201d, dia izao kosa no lazain\u2019i Jehovah: \u201cKoa satria nilaza ianareo hoe: \u2018Izany teny izany ilay enta-mavesatr\u2019i Jehovah\u2019, nefa izaho efa niteny taminareo hoe: \u2018Tsy tokony hilaza intsony ianareo hoe: \u201cEnta-mavesatr\u2019i Jehovah!\u201d\u2019,",
"39": "dia hingaiko sy hariako tsy ho eo anatrehako ianareo sy ilay tan\u00e0na nomeko anareo sy ny razambenareo.",
"40": "Hataoko menatra sy afa-baraka mandrakizay ianareo, ary tsy hohadinoina mihitsy izany.\u201d\u2019\u201d"
},
"24": {
"1": "Ary i Jehovah nampiseho ahy aviavy roa harona teo anoloan\u2019ny tempolin\u2019i Jehovah, taorian\u2019ny nanaovan\u2019i Nebokadnezara mpanjakan\u2019i Babylona sesitany an\u2019i Jekonia zanak\u2019i Joiakima sady mpanjakan\u2019ny Joda, sy ireo andrianan\u2019ny Joda, sy ny mpanao asa tanana, ary ny mpanefy. Avy tany Jerosalema izy ireo no nentiny nankany Babylona.",
"2": "Aviavy tena tsara, hoatran\u2019ny aviavy vokatra voalohany, no tao amin\u2019ilay harona iray. Aviavy ratsy\u00a0be kosa no tao amin\u2019ilay iray, ka tsy azo nohanina satria ratsy loatra.",
"3": "Dia nanontany ahy i Jehovah hoe: \u201cInona no hitanao, ry\u00a0Jeremia?\u201d Dia hoy aho: \u201cAviavy! Tena tsara ireo aviavy tsara, fa ratsy\u00a0be kosa ireo aviavy ratsy, ka tsy azo hanina satria ratsy loatra.\u201d",
"4": "Dia niteny tamiko i Jehovah hoe:",
"5": "\u201cIzao no lazain\u2019i Jehovah, Andriamanitry ny Israely: \u2018Tsara hoatran\u2019ireo aviavy tsara ireo no ho fahitako ny mponin\u2019i Joda natao sesitany, izay noroahiko niala teto amin\u2019ity toerana ity ka nalefako any amin\u2019ny tanin\u2019ny Kaldeanina.",
"6": "Hitsinjo azy ireo ny masoko, ary hampodiko eto amin\u2019ity tany ity izy ireo, ka haoriko fa tsy horavako, ary hamboleko fa tsy hongotako.",
"7": "Ary homeko fo te hahalala ahy izy ireo mba hahafantarany hoe izaho no Jehovah. Dia ho lasa vahoakako izy ireo ary izaho ho Andriamaniny, satria hiverina amiko amin\u2019ny fony manontolo izy ireo.",
"8": "\u201c\u2018Izao kosa no lazain\u2019i Jehovah momba an\u2019ireo aviavy ratsy, izay tsy azo hanina satria ratsy loatra: \u201cHoatran\u2019ireo no ho fahitako an\u2019i Zedekia mpanjakan\u2019ny Joda, sy ireo andrianany, ary ny mponin\u2019i Jerosalema sisa tavela eto amin\u2019ity tany ity sy ireo mipetraka any Ejipta.",
"9": "Hataoko mihorohoro ny fanjakana rehetra eto an-tany rehefa mahita ny loza hamelezako azy ireo. Holatsain\u2019ny olona any amin\u2019ny toerana rehetra hanaparitahako azy izy ireo, ary hataony oha-pitenenana, sy hesoesoiny, ary hozoniny.",
"10": "Handefa sabatra sy mosary ary areti-mandringana hamely azy ireo aho, mandra-paharipany tsy ho eo amin\u2019ilay tany nomeko azy sy ny razambeny.\u201d\u2019\u201d"
},
"25": {
"1": "Nahazo hafatra momba ny vahoakan\u2019ny Joda rehetra i Jeremia, tamin\u2019ny taona fahefatra nanjakan\u2019i Joiakima zanak\u2019i Josia, mpanjakan\u2019ny Joda, izany hoe tamin\u2019ny taona voalohany nanjakan\u2019i Nebokadnezara mpanjakan\u2019i Babylona.",
"2": "Izao no nolazain\u2019i Jeremia mpaminany momba ny vahoakan\u2019ny Joda rehetra sy ny mponina rehetra eto Jerosalema:",
"3": "\u201cNandritra izay 23\u00a0taona izay i Jehovah no niteny tamiko, nanomboka tamin\u2019ny taona faha-13 nanjakan\u2019i Josia zanak\u2019i Amona, mpanjakan\u2019ny Joda, ka hatramin\u2019izao. Ary efa niteny anareo imbetsaka aho, saingy tsy nihaino ianareo.",
"4": "Ary nirahin\u2019i Jehovah tany aminareo ny mpaminany mpanompony rehetra. Imbetsaka izy no naniraka azy ireny tany aminareo, nefa tsy nihaino ianareo na nanongilan-tsofina.",
"5": "Nilaza ireny mpaminany ireny hoe: \u2018Samia re miala amin\u2019ny lalan-dratsinareo sy ny ratsy fanaonareo\u00a0e! Amin\u2019izay ianareo hipetraka ela ao amin\u2019ilay tany nomen\u2019i Jehovah anareo sy ny razambenareo efa hatramin\u2019ny ela.",
"6": "Aza manaraka andriamani-kafa na manompo an\u2019ireny na miankohoka aminy, ka hampahatezitra ahy amin\u2019ny asan\u2019ny tananareo. Raha tsy izany, dia hahatonga loza aminareo aho.\u2019",
"7": "\u201c\u2018Tsy nihaino ahy anefa ianareo\u2019, hoy i Jehovah. \u2018Nampahatezitra ahy kosa ianareo noho ny asan\u2019ny tananareo. Koa hahita loza ianareo.\u2019",
"8": "\u201cIzao \u00e0ry no lazain\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika: \u2018\u201cNoho ianareo tsy nankat\u00f2 ny teniko,",
"9": "dia hampanantsoiko ny firenena rehetra any avaratra\u201d, hoy i Jehovah. \u201cHampanantsoiko i Nebokadnezara mpanjakan\u2019i Babylona sady mpanompoko. Hoentiko izy ireo ka hiady amin\u2019ity tany ity sy ny mponina eto, ary amin\u2019ireo firenena rehetra manodidina ireo. Dia haringako tanteraka ireo rehetra ireo ka hataoko mihorohoro sy misioka ny olona noho izay hanjo azy. Ary ho rava mandrakizay izy rehetra.",
"10": "Hataoko tsy misy feon\u2019olona mifaly sy miravoravo intsony eo amin\u2019izy ireo, na feona mpampakatra sy ampakarina, na feona vato fikosoham-bary, na hazavan\u2019ny jiro.",
"11": "Dia ho rava tanteraka ity tany manontolo ity ka hanjary hampihorohoro. Ary hanompo an\u2019ilay mpanjakan\u2019i Babylona mandritra ny 70\u00a0taona ireo firenena ireo.\u201d\u2019",
"12": "\u201c\u2018Rehefa tapitra anefa ny 70\u00a0taona, dia hataoko ampamoaka ny mpanjakan\u2019i Babylona sy izany firenena izany noho ny fahadisoany\u2019, hoy i Jehovah. \u2018Ary hataoko tsy misy mponina sy ngazana mandrakizay ny tanin\u2019ny Kaldeanina.",
"13": "Hotanterahiko amin\u2019izany tany izany ny teny rehetra nanamelohako azy, dia izay rehetra voasoratra ato amin\u2019ity boky ity, araka ny faminaniana nambaran\u2019i Jeremia mba hanamelohana ny firenena rehetra.",
"14": "Fa hataon\u2019ny firenena maro sy mpanjaka lehibe lasa andevony izy ireo. Ary hovaliako araka izay nataony sy araka ny asan\u2019ny tanany izy ireo.\u2019\u201d",
"15": "Fa izao no nolazain\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely tamiko: \u201cRaiso et\u1ef3 an-tanako ity kaopy misy ny divain\u2019ny fahatezerako ity, ka ampisotroy ny firenena rehetra anirahako anao.",
"16": "Dia hisotro izy ireo ka hivembena sy hanao hoatran\u2019ny adala, noho ny sabatra alefako hamely azy ireo.\u201d",
"17": "Koa nalaiko teny an-tanan\u2019i Jehovah ilay kaopy dia nampisotroiko ny firenena rehetra nanirahan\u2019i Jehovah ahy:",
"18": "Nanomboka tamin\u2019i Jerosalema sy ireo tan\u00e0nan\u2019i Joda ary ny mpanjakany sy ny andrianany, mba ho rava tanteraka izy ireo, ka hihorohoro sy hisioka ny olona noho izay hanjo azy, ary mba hozonina izy ireo, hoatran\u2019ny amin\u2019izao androany izao.",
"19": "Nampisotroiko koa avy eo i Farao mpanjakan\u2019i Ejipta, ny mpanompony, ny andrianany, ny vahoakany rehetra,",
"20": "ary ny hafa firenena rehetra ao amin\u2019ny taniny; ny mpanjaka rehetran\u2019i Oza; ny mpanjaka rehetran\u2019ny Filistinina, Askelona, Gaza, Ekrona, ary izay sisa tavela ao Asdoda;",
"21": "Edoma sy Moaba ary ny Amonita;",
"22": "ny mpanjaka rehetran\u2019i Tyro, ny mpanjaka rehetran\u2019i Sidona, ary ireo mpanjakan\u2019ilay nosy any an-dranomasina;",
"23": "Dedana, Tema, Boza, ary izay rehetra nokakasana ny fihirifany;",
"24": "ny mpanjaka rehetran\u2019ny Arabo sy ny mpanjaka rehetran\u2019ny firenena hafa mipetraka any an-tany efitra;",
"25": "ny mpanjaka rehetran\u2019i Zimry sy ny mpanjaka rehetran\u2019i Elama ary ny mpanjaka rehetran\u2019ny Medianina;",
"26": "ny mpanjaka rehetra any avaratra, na lavitra na akaiky, izay hifandimby hisotro an\u2019ilay izy, ary ny fanjakana hafa rehetra eto ambonin\u2019ny tany. Aorian\u2019izy ireo, dia hisotro an\u2019ilay izy koa ny mpanjakan\u2019i Sesaka.",
"27": "\u201cKoa lazao amin\u2019izy ireo hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, Andriamanitry ny Israely: \u201cMisotroa, manaova mamo, mandoava, ary mianjer\u00e0 mba tsy ho tafatsangana intsony ianareo, noho ny sabatra alefako hamely anareo.\u201d\u2019",
"28": "Ary raha tsy mety mandray an\u2019ilay kaopy eny an-tananao izy ireo ka tsy mety misotro, dia lazao aminy hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika: \u201cTsy maintsy misotro an\u2019ity ianareo!",
"29": "Izao mantsy: Raha ilay tan\u00e0na mitondra ny anarako aza no voalohany amin\u2019ireo hasiako loza, dia ianareo indray ve no ho afa-maina?\u201d\u2019 \u201c\u2018Tsy ho afa-maina mihitsy ianareo, fa hiantso sabatra hamely ny mponina rehetra eto an-tany aho\u2019, hoy i Jehovah Tompon\u2019ny tafika.",
"30": "\u201cAry hilaza an\u2019izao faminaniana rehetra izao amin\u2019izy ireo ianao: \u2018Hierona avy any amin\u2019ny avo i Jehovah, Ary hataony re avy any amin\u2019ny fonenany masina ny feony. Hierona mafy amin\u2019ny toerana ipetrahany izy. Hihorakoraka hoatran\u2019ireo manitsakitsaka voaloboka ao anaty lavaka famiazana izy, Ary hihira rehefa resy ny mponina rehetra eto an-tany.\u2019",
"31": "\u2018Hisy feo hanakoako hatrany amin\u2019ny faran\u2019ny tany, Satria mifandahatra amin\u2019ireo firenena i Jehovah. Izy mihitsy no hitsara ny olombelona rehetra. Ary hatolony hovonoina amin\u2019ny sabatra ny ratsy fanahy\u2019, hoy i Jehovah.",
"32": "Izao no lazain\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika: \u2018Henoy izao! Hisy loza hitety firenena, Ary hisy tafio-drivotra mahery hifofofofo avy any amin\u2019ny faritra lavitra indrindra amin\u2019ny tany.",
"33": "\u201c\u2018Dia hiampatrampatra hatrany amin\u2019ny faran\u2019ny tany ka hatrany amin\u2019ny faran\u2019ny tany ny voavonon\u2019i Jehovah, amin\u2019izany andro izany. Tsy hisaonana na hangonina na halevina ireny, fa ho toy ny zezika eny ambonin\u2019ny tany.\u2019",
"34": "Midradradradr\u00e0, ry\u00a0mpiandry ondry, ary aoka ianareo hitaraindraina! Mihosinkosena amin\u2019ny tany, ry\u00a0ondry vaventy, Satria tonga ny fotoana hamonoana sy hanaparitahana anareo, Ka hianjera toy ny vazy sarobidy ianareo!",
"35": "Tsy misy toerana handosirana ny mpiandry ondry, Ary tsy mahita hitsoahana ireo ondry vaventy.",
"36": "Izany fa mitaraindraina ny mpiandry ondry, Ary midradradradra ny ondry vaventy, Fa simbain\u2019i Jehovah ny kijanan\u2019izy ireo.",
"37": "Tsy misy zavamananaina intsony ao amin\u2019ireo fonenana nampiadana, Satria tezitra be i Jehovah.",
"38": "Nandao ny fonenany toy ny liona tanora izy. Fa lasa nihorohoro ny olona nahita an\u2019izay nanjo ny tanin\u2019izy ireo Satria nampiasaina tsy misy indrafo ny sabatra, Ary tezitra be izy.\u201d"
},
"26": {
"1": "Izao no nolazain\u2019i Jehovah, rehefa nanomboka nanjaka i Joiakima zanak\u2019i Josia, mpanjakan\u2019ny Joda:",
"2": "\u201cIzao no tenin\u2019i Jehovah: \u2018Mitsang\u00e0na eo an-tokotanin\u2019ny tranon\u2019i Jehovah, ary resaho ny momba ny mponina rehetra ao amin\u2019ny tan\u00e0nan\u2019i Joda, izay ho avy hivavaka ao an-tranon\u2019i Jehovah. Teneno azy daholo izay asaiko lazainao. Aza misy anesorana na teny iray aza.",
"3": "Sao dia mba hihaino ihany izy ireo, ka samy hiala amin\u2019ny ratsy fanaony. Dia hiova hevitra aho ka tsy hampihariko aminy indray ilay loza nokasaiko hamelezana azy ireo ho valin\u2019ny ratsy nataony.",
"4": "Lazao amin\u2019izy ireo hoe: \u201cIzao no tenin\u2019i Jehovah: \u2018Raha tsy mihaino ahy ianareo ka tsy manaraka ny lal\u00e0na nomeko anareo,",
"5": "sy tsy mihaino ny tenin\u2019ny mpaminany mpanompoko izay nirahiko imbetsaka ho any aminareo nefa tsy nohenoinareo,",
"6": "dia hataoko hoatran\u2019i Silo ity trano ity, ary hampiasa ny anaran\u2019ity tan\u00e0na ity ny firenena rehetra eny ambonin\u2019ny tany rehefa manozona.\u2019\u201d\u2019\u201d",
"7": "Nandre an\u2019i Jeremia niteny an\u2019ireo teny ireo tao an-tranon\u2019i Jehovah ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny vahoaka rehetra.",
"8": "Koa rehefa tapitra voalazan\u2019i Jeremia daholo ny teny nasain\u2019i Jehovah nolazainy tamin\u2019ny vahoaka manontolo, dia nosamborin\u2019ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny vahoaka rehetra izy, ka hoy ireo: \u201cTena ho faty ianao!",
"9": "Nahoana ianao no maminany amin\u2019ny anaran\u2019i Jehovah hoe: \u2018Ho lasa hoatran\u2019i Silo ity trano ity, ary ity tan\u00e0na ity ho rava ka tsy hisy mponina intsony\u2019?\u201d Dia nitangoronan\u2019ny olona rehetra i Jeremia, tao an-tranon\u2019i Jehovah.",
"10": "Rehefa nahare an\u2019izany teny izany ny andrianan\u2019ny Joda, dia niakatra avy any amin\u2019ny tranon\u2019ny mpanjaka mba hankany amin\u2019ny tranon\u2019i Jehovah. Ary nipetraka teo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ilay vavahady vaovao amin\u2019ny tranon\u2019i Jehovah izy ireo.",
"11": "Dia hoy ny mpisorona sy ny mpaminany tamin\u2019ireo andriana sy ny vahoaka rehetra: \u201cMendrika ny homelohina ho faty ity lehilahy ity, satria naminany fa hisy loza hanjo an\u2019ity tan\u00e0na ity. Ary ny sofinareo mihitsy no efa naheno an\u2019izany.\u201d",
"12": "Dia hoy i Jeremia tamin\u2019ny andriana rehetra sy ny vahoaka rehetra: \u201cI Jehovah no naniraka ahy hilaza ny faminaniana rehetra henonareo teo, hoe hisy loza hanjo an\u2019ity trano ity sy ity tan\u00e0na ity.",
"13": "Koa ahitsio ny lalanareo sy ny ataonareo, ary ankatoavy ny tenin\u2019i Jehovah Andriamanitrareo, dia hiova hevitra i Jehovah ka tsy hampihariny indray ilay loza efa nolazainy hamelezana anareo.",
"14": "Fa izaho kosa efa eto am-pelatananareo, ka ataovy amiko izay hitanareo fa tsara sy mety.",
"15": "Fantaro tsara anefa fa raha mamono ahy ho faty ianareo, dia mamono olona tsy manan-tsiny, ka ho meloka ho nandatsa-dra ianareo sy ity tan\u00e0na ity ary ny mponina ato. I Jehovah mihitsy mantsy no naniraka ahy hilaza ny teny rehetra renareo teo!\u201d",
"16": "Dia hoy ny andriana sy ny vahoaka rehetra tamin\u2019ireo mpisorona sy mpaminany: \u201cTsy mendrika ny homelohina ho faty io lehilahy io, satria tamin\u2019ny anaran\u2019i Jehovah Andriamanitsika no nitenenany tamintsika.\u201d",
"17": "Nitsangana koa ny anti-panahy sasany tao amin\u2019ilay tany, ka niteny tamin\u2019ny vahoaka rehetra tafavory teo hoe:",
"18": "\u201cNaminany i Mika avy any Moreseta tamin\u2019ny andron\u2019i Hezekia mpanjakan\u2019ny Joda, ka nilaza tamin\u2019ny vahoakan\u2019ny Joda rehetra hoe: \u2018Izao no lazain\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika: \u201cHasaina hoatran\u2019ny saha i\u00a0Ziona, Ho lasa korontam-bato mivangongo i Jerosalema, Ary ny tendrombohitra misy an\u2019ilay Trano dia ho toy ny toerana avo any an\u2019ala.\u201d\u2019",
"19": "\u201cNamono an\u2019i Mika ve i Hezekia mpanjakan\u2019ny Joda sy ny Joda rehetra tamin\u2019izay? Tsy natahotra an\u2019i Jehovah ve i Hezekia ary nitalaho famindram-po tamin\u2019i Jehovah, ka niova hevitra i Jehovah dia tsy nampihariny indray ilay loza efa nolazainy hamelezana azy ireo? Koa tena mitady loza mihitsy isika.",
"20": "\u201cNisy lehilahy hafa koa naminany tamin\u2019ny anaran\u2019i Jehovah, dia i Oria zanak\u2019i Semaia avy any Kiriata-jearima. Naminany hoatran\u2019i Jeremia izy hoe hisy loza hanjo an\u2019ity tan\u00e0na ity sy ity tany ity.",
"21": "Nahare ny tenin\u2019i Oria i Joiakima Mpanjaka sy ny miaramilany matanjaka rehetra ary ny andrianany rehetra. Koa nitady hamono azy ho faty ny mpanjaka. Natahotra i Oria raha vao naheno an\u2019izany, ka nandositra nankany Ejipta.",
"22": "Dia nirahin\u2019i Joiakima Mpanjaka nankany Ejipta i Elnatana zanak\u2019i Akbora sy ny lehilahy vitsivitsy .",
"23": "Koa nalain\u2019izy ireo avy tany Ejipta i Oria, ary nentiny tany amin\u2019i Joiakima Mpanjaka. Dia novonoin\u2019ny mpanjaka tamin\u2019ny sabatra izy ary natsipiny tany amin\u2019ny fasam-bahoaka ny fatiny.\u201d",
"24": "Narovan\u2019i Ahikama zanak\u2019i Safana kosa i Jeremia, ka tsy natolotra hovonoin\u2019ny vahoaka."
},
"27": {
"1": "Izao no tenin\u2019i Jehovah tamin\u2019i Jeremia, rehefa nanomboka nanjaka i Joiakima zanak\u2019i Josia, mpanjakan\u2019ny Joda:",
"2": "\u201cIzao no nolazain\u2019i Jehovah tamiko: \u2018Manamboara tady sy zioga dia ataovy eo amin\u2019ny vozonao izany,",
"3": "ary alefaso any amin\u2019ny mpanjakan\u2019i Edoma, sy ny mpanjakan\u2019i Moaba, sy ny mpanjakan\u2019ny Amonita, sy ny mpanjakan\u2019i Tyro, ary ny mpanjakan\u2019i Sidona. Ireo iraka tonga eto Jerosalema mba hihaona amin\u2019i Zedekia mpanjakan\u2019ny Joda no ampitondray an\u2019izany.",
"4": "Asaivo lazain\u2019izy ireo amin\u2019ny tompony hoe: \u201c\u2018\u201cIzao no tenin\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, Andriamanitry ny Israely, ka holazainareo amin\u2019ny tomponareo:",
"5": "\u2018Izaho no nanao ny tany sy ny olombelona ary ny biby eny ambonin\u2019ny tany. Tamin\u2019ny heriko lehibe sy ny sandriko mahery no nanaovako an\u2019izany, ka izay tiako homena azy no omeko azy.",
"6": "Koa efa nomeko an\u2019i Nebokadnezara mpanjakan\u2019i Babylona sady mpanompoko, ireo tany rehetra ireo. Na ny bibidia aza efa nomeko azy mba hanompo azy.",
"7": "Hanompo azy sy ny zanany ary ny zafikeliny ny firenena rehetra, mandra-pahatongan\u2019ny fotoana haharesy ny taniny. Firenena maro sy mpanjaka lehibe no hanao azy ho andevo amin\u2019izay fotoana izay.\u2019",
"8": "\u201c\u2018\u201c\u2018Hosaziko ny firenena na fanjakana tsy mety manompo an\u2019i Nebokadnezara mpanjakan\u2019i Babylona, sy tsy mety mampidina ny vozony ho eo ambany ziogan\u2019ny mpanjakan\u2019i Babylona. Hamely azy amin\u2019ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana aho\u2019, hoy i Jehovah, \u2018mandra-pandringako azy amin\u2019ny alalan\u2019i Nebokadnezara.\u2019",
"9": "\u201c\u2018\u201c\u2018Koa aza mihaino an\u2019ireo mpaminany, mpisikidy, mpanonofy, mpimasy, ary ireo mpilalao ody eo aminareo, izay milaza hoe: \u201cTsy hanompo ny mpanjakan\u2019i Babylona ianareo!\u201d",
"10": "Maminany lainga aminareo mantsy izy ireo, ka raha mihaino azy ianareo dia hoentina lavitra tsy ho eo amin\u2019ny taninareo. Ary haparitako ianareo dia ho ripaka.",
"11": "\u201c\u2018\u201c\u2018Fa izay firenena mampidina ny vozony ho eo ambany ziogan\u2019ny mpanjakan\u2019i Babylona sy manompo azy kosa, dia havelako hijanona ao amin\u2019ny taniny\u2019, hoy i Jehovah, \u2018mba hamboly sy hipetraka ao.\u2019\u201d\u2019\u201d",
"12": "Izany koa no nolazaiko tamin\u2019i Zedekia mpanjakan\u2019ny Joda. Niteny taminy aho hoe: \u201cAmpidino ho eo ambany ziogan\u2019ny mpanjakan\u2019i Babylona ny vozonareo, ka tompoy izy sy ny vahoakany, dia ho velona ianareo.",
"13": "Fa nahoana moa ianao sy ny vahoakanao no ho fatin\u2019ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana, araka izay nolazain\u2019i Jehovah hoe hanjo an\u2019izay firenena tsy manaiky hanompo ny mpanjakan\u2019i Babylona?",
"14": "Aza mihaino ny tenin\u2019ireo mpaminany milaza aminareo hoe: \u2018Tsy hanompo ny mpanjakan\u2019i Babylona ianareo.\u2019 Maminany lainga aminareo mantsy izy ireo.",
"15": "\u201c\u2018Fa tsy naniraka an\u2019ireny aho\u2019, hoy i Jehovah, \u2018nefa maminany lainga amin\u2019ny anarako izy. Koa raha mihaino azy ianareo dia haparitako, ary ho faty ianareo sy ny mpaminany izay maminany aminareo.\u2019\u201d",
"16": "Izao no nolazaiko tamin\u2019ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra: \u201cIzao no tenin\u2019i Jehovah: \u2018Aza mihaino ny tenin\u2019ireo mpaminany milaza aminareo hoe: \u201cJereo tsara fa ho tafaverina tsy ho ela avy any Babylona ny fitaovana tao an-tranon\u2019i Jehovah!\u201d Maminany lainga aminareo mantsy izy ireo.",
"17": "Aza mihaino azy, fa manompoa ny mpanjakan\u2019i Babylona dia ho velona ianareo. Fa nahoana moa no dia ho rava ity tan\u00e0na ity?",
"18": "Raha tena mpaminany anefa izy ireo ary ny tenin\u2019i Jehovah tokoa no lazainy, dia aoka izy ireo hiangavy an\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika mba tsy hoentina any Babylona ny fitaovana sisa tavela ao an-tranon\u2019i Jehovah sy ao an-tranon\u2019ny mpanjakan\u2019ny Joda ary eto Jerosalema.\u2019",
"19": "\u201cIzao mantsy no lazain\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika momba an\u2019ireo andry, ny Ranomasina, ireo kalesy, ary ny fitaovana sisa tavela ato amin\u2019ity tan\u00e0na ity,",
"20": "izay tsy nalain\u2019i Nebokadnezara mpanjakan\u2019i Babylona rehefa nentiny niala teto Jerosalema sy nataony sesitany tany Babylona i Jekonia zanak\u2019i Joiakima, mpanjakan\u2019ny Joda, sy ny olona ambony rehetra teto Joda sy Jerosalema;",
"21": "eny, izao no lazain\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, Andriamanitry ny Israely, momba an\u2019ireo fitaovana sisa tavela ao an-tranon\u2019i Jehovah sy ao an-tranon\u2019ny mpanjakan\u2019ny Joda ary eto Jerosalema:",
"22": "\u2018\u201cHoentina any Babylona ireny ary hajanona any mandra-pahatongan\u2019ny andro hahatsiarovako azy\u201d, hoy i Jehovah. \u201cDia hoentiko miverina avy any ireny, ka haveriko eto amin\u2019ity toerana ity.\u201d\u2019\u201d"
},
"28": {
"1": "Tamin\u2019iny taona iny ihany, izany hoe teo am-piandohan\u2019ny fanjakan\u2019i Zedekia mpanjakan\u2019ny Joda, tamin\u2019ny volana fahadimy, tamin\u2019ny taona fahefatra, dia niteny an\u2019izao tamiko, tao an-tranon\u2019i Jehovah teo anatrehan\u2019ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra, i Hanania zanak\u2019i Azora, mpaminany avy any Gibeona:",
"2": "\u201cIzao no lazain\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, Andriamanitry ny Israely: \u2018Hotapahiko ny ziogan\u2019ny mpanjakan\u2019i Babylona.",
"3": "Ato anatin\u2019ny roa\u00a0taona, dia haveriko eto amin\u2019ity toerana ity ny fitaovana rehetra tao an-tranon\u2019i Jehovah, izay nalain\u2019i Nebokadnezara mpanjakan\u2019i Babylona teto sy nentiny any Babylona.\u2019\u201d",
"4": "\u201c\u2018Hampodiko eto koa i Jekonia zanak\u2019i Joiakima, mpanjakan\u2019ny Joda, sy ny Joda rehetra natao sesitany any Babylona\u2019, hoy i Jehovah, \u2018satria hotapahiko ny ziogan\u2019ny mpanjakan\u2019i Babylona.\u2019\u201d",
"5": "Dia namaly an\u2019i Hanania mpaminany i Jeremia mpaminany, teo anatrehan\u2019ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra, izay nitsangana tao an-tranon\u2019i Jehovah.",
"6": "Hoy i Jeremia mpaminany: \u201cAmena! Enga anie ka hanao an\u2019izany tokoa i Jehovah! Hotanterahin\u2019i Jehovah anie ny faminanianao, ka haveriny avy any Babylona ho eto amin\u2019ity toerana ity tokoa ny fitaovana tao an-tranon\u2019i Jehovah sy ny olona rehetra natao sesitany!",
"7": "Mba henoy kely anefa izay holazaiko aminao sy amin\u2019ny vahoaka rehetra.",
"8": "Ela\u00a0be talohako sy talohanao no efa nisy mpaminany nilaza fa hisy ady sy loza ary areti-mandringana any amin\u2019ny tany maro sy any amin\u2019ireo fanjakana lehibe.",
"9": "Raha misy kosa mpaminany manambara fa hisy fiadanana ka tanteraka ny teniny, dia ho fantatra hoe tena nirahin\u2019i Jehovah tokoa izy.\u201d",
"10": "Dia nesorin\u2019i Hanania mpaminany teny amin\u2019ny vozon\u2019i Jeremia mpaminany ilay zioga, ka notapahiny.",
"11": "Ary hoy i Hanania teo anatrehan\u2019ny vahoaka manontolo: \u201cIzao no lazain\u2019i Jehovah: \u2018Hoatr\u2019izao no hanapahako ny ziogan\u2019i Nebokadnezara mpanjakan\u2019i Babylona, ato anatin\u2019ny roa\u00a0taona, ka tsy ho eo amin\u2019ny vozon\u2019ny firenena rehetra intsony izany.\u2019\u201d Dia lasa nandeha i Jeremia mpaminany.",
"12": "Rehefa avy notapahin\u2019i Hanania mpaminany ilay zioga teny amin\u2019ny vozon\u2019i Jeremia mpaminany, dia niteny tamin\u2019i Jeremia i Jehovah hoe:",
"13": "\u201cMandehana lazao amin\u2019i Hanania hoe: \u2018Izao no lazain\u2019i Jehovah: \u201cZioga\u00a0hazo no notapahinao, fa zioga\u00a0vy kosa no hataonao solony.\u201d",
"14": "Fa izao no tenin\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, Andriamanitry ny Israely: \u201cHasiako zioga\u00a0vy eo amin\u2019ny vozon\u2019ireny firenena rehetra ireny, mba hanompoan\u2019izy ireny an\u2019i Nebokadnezara mpanjakan\u2019i Babylona, ka tsy maintsy hanompo azy izy ireny. Na ny bibidia aza homeko azy.\u201d\u2019\u201d",
"15": "Dia niteny tamin\u2019i Hanania mpaminany i Jeremia mpaminany hoe: \u201cHenoy ny teniko, azafady, ry\u00a0Hanania! Tsy naniraka anao i Jehovah, fa nampino lainga an\u2019ity vahoaka ity ianao.",
"16": "Izao \u00e0ry no lazain\u2019i Jehovah: \u2018Hesoriko tsy ho eny ambonin\u2019ny tany ianao. Amin\u2019ity taona ity ianao dia ho faty, satria mampirisika ny olona hikomy amin\u2019i Jehovah.\u2019\u201d",
"17": "Koa maty tamin\u2019ny volana fahafito tamin\u2019iny taona iny ihany i Hanania mpaminany."
},
"29": {
"1": "Nandefa taratasy avy teto Jerosalema i Jeremia mpaminany, ho an\u2019ny sisa amin\u2019ireo anti-panahy natao sesitany, sy ho an\u2019ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny vahoaka rehetra, izay nentin\u2019i Nebokadnezara niala teto Jerosalema sy nataony sesitany any Babylona.",
"2": "Efa tsy teto Jerosalema intsony tamin\u2019izay i Jekonia Mpanjaka, ny renin\u2019ny mpanjaka, ny tandapa, ny andrianan\u2019i Joda sy Jerosalema, ny mpanao asa tanana, ary ny mpanefy.",
"3": "Nampitondrain\u2019i Jeremia an\u2019i Elasa zanak\u2019i Safana sy Gemaria zanak\u2019i Hilkia ilay taratasy. Nirahin\u2019i Zedekia mpanjakan\u2019ny Joda ho any Babylona, any amin\u2019i Nebokadnezara mpanjakan\u2019i Babylona, mantsy izy roa lahy. Izao no voalazan\u2019ilay taratasy:",
"4": "\u201cIzao no lazain\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, Andriamanitry ny Israely, amin\u2019ny olona rehetra nalefany sesitany avy teto Jerosalema ho any Babylona:",
"5": "\u2018Manorena trano ka mipetraha ao. Manaova tanimboly ka hano ny vokatra avy aminy.",
"6": "Manambadia ka miteraha zazalahy sy zazavavy. Akao vady ny zanakareo lahy ary ampanambadio ny zanakareo vavy, mba hiteraka zazalahy sy zazavavy koa. Aoka hihabetsaka ianareo fa tsy hihavitsy.",
"7": "Dia ataovy izay hampiadana an\u2019ilay tan\u00e0na nandefasako sesitany anareo. Mivavaha amin\u2019i Jehovah ho an\u2019ilay tan\u00e0na, satria raha miadana izy io dia hiadana koa ianareo.",
"8": "Izao mantsy no lazain\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, Andriamanitry ny Israely: \u201cAza avela hamitaka anareo ny mpaminany sy ny mpisikidy eo aminareo. Ary aza mihaino ny nofiny, izay tantarainy aminareo.",
"9": "Fa \u2018maminany lainga aminareo amin\u2019ny anarako izy ireny, nefa tsy naniraka azy aho\u2019, hoy i Jehovah.\u201d\u2019\u201d",
"10": "\u201cFa izao no lazain\u2019i Jehovah: \u2018Hokarakaraiko ianareo rehefa tapitra ny 70\u00a0taona ijanonanareo any Babylona, dia hotanterahiko ny fampanantenako, ka haveriko eto amin\u2019ity toerana ity ianareo.\u2019",
"11": "\u201c\u2018Fa fantatro tsara ny zavatra efa noeritreretiko hatao aminareo\u2019, hoy i Jehovah. \u2018Mieritreritra ny hanome anareo fiadanana aho fa tsy loza, mba hanananareo hoavy tsara sy fanantenana.",
"12": "Ary hiantso ahy ianareo ka ho avy hivavaka amiko, dia hihaino anareo aho.\u2019",
"13": "\u201c\u2018Hitady ahy ianareo ka hahita ahy, satria hitady ahy amin\u2019ny fonareo manontolo ianareo.",
"14": "Ary hataoko izay hahitanareo ahy\u2019, hoy i Jehovah. \u2018Hangoniko izay babo eo aminareo, ary hovoriko avy any amin\u2019ny firenena rehetra sy ny toerana rehetra nanaparitahako anareo ianareo\u2019, hoy i Jehovah. \u2018Dia hampodiko ao amin\u2019ilay toerana nialanareo tamin\u2019ianareo nalefako sesitany ianareo.\u2019",
"15": "\u201cNilaza anefa ianareo hoe: \u2018Nanendry mpaminany ho anay at\u1ef3 Babylona i Jehovah.\u2019",
"16": "\u201cFa izao no lazain\u2019i Jehovah amin\u2019ilay mpanjaka mipetraka eo amin\u2019ny seza fiandrianan\u2019i Davida sy amin\u2019ny mponina rehetra ato amin\u2019ity tan\u00e0na ity, dia ireo rahalahinareo tsy natao sesitany niaraka taminareo:",
"17": "\u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika: \u201cHandefasako sabatra sy mosary ary areti-mandringana izy ireo hamely azy, ary hataoko toy ny aviavy\u00a0lo tsy azo hanina fa ratsy loatra.\u201d\u2019",
"18": "\u201c\u2018Dia henjehiko amin\u2019ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy ireo. Hataoko mihorohoro ny fanjakana rehetra eto an-tany mahita an\u2019izay hanjo azy. Hanozona azy ireo ny olona any amin\u2019ny firenena rehetra hanaparitahako azy, sady ho gaga sy hisioka rehefa mahita an\u2019izay hanjo azy, ary handatsa azy.",
"19": "Tsy nohenoin\u2019izy ireo mantsy ny teniko izay nampitondraiko an\u2019ireo mpaminany mpanompoko\u2019, hoy i Jehovah, \u2018ary imbetsaka aho no naniraka azy ireny tany aminareo.\u2019 \u201c\u2018Tsy nihaino anefa ianareo\u2019, hoy i Jehovah.",
"20": "\u201cHenoy \u00e0ry ny tenin\u2019i Jehovah, ry\u00a0olona rehetra natao sesitany, izay nalefako niala teto Jerosalema mba ho any Babylona.",
"21": "Izao no lazain\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, Andriamanitry ny Israely, momba an\u2019i Ahaba zanak\u2019i Kolaia sy momba an\u2019i Zedekia zanak\u2019i Mahaseia, izay samy maminany lainga amin\u2019ny anarako: \u2018Hatolotro eo an-tanan\u2019i Nebokadnezara mpanjakan\u2019i Babylona izy roa lahy, ka hovonoiny eo imasonareo.",
"22": "Ary izay hanjo azy roa lahy, dia ho lasa fiteny fampiasan\u2019ny Joda rehetra natao sesitany any Babylona rehefa manozona. Hilaza izy ireo hoe: \u201cEnga anie ianao hataon\u2019i Jehovah hoatran\u2019i Zedekia sy Ahaba, izay natonon\u2019ny mpanjakan\u2019i Babylona tao anaty afo!\u201d",
"23": "Nanao zavatra manala baraka teo amin\u2019ny Israely mantsy izy roa lahy. Nanitsakitsa-bady izy ireo ka naka vadin\u2019olona. Nilaza lainga tamin\u2019ny anarako koa izy ireo nefa tsy nasaiko nanao an\u2019izany. \u201c\u2018\u201cIzaho no mahalala an\u2019izay nataony sy vavolombelon\u2019izany\u201d, hoy i Jehovah.\u2019\u201d",
"24": "\u201cAry izao no holazainao amin\u2019i Semaia avy any Nehelama:",
"25": "\u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, Andriamanitry ny Israely: \u201cNandefa taratasy tamin\u2019ny anaranao ianao, ho an\u2019ny olona rehetra eto Jerosalema sy ho an\u2019i Zefania mpisorona zanak\u2019i Mahaseia ary ho an\u2019ny mpisorona rehetra, nilaza hoe:",
"26": "\u2018Efa notendren\u2019i Jehovah ho mpisorona hisolo an\u2019i Joiada mpisorona ianao, mba ho mpiandraikitra ao an-tranon\u2019i Jehovah, ka hisambotra an\u2019izay olona adala manao hoatran\u2019ny mpaminany sy hangeja azy amin\u2019ny gadra\u00a0hazo sy gadra\u00a0vy.",
"27": "Koa nahoana ianao no tsy niteny mafy an\u2019i Jeremia avy any Anatota izay manao hoatran\u2019ny mpaminany eo aminareo?",
"28": "Fa nandefa taratasy tat\u1ef3 aminay at\u1ef3 Babylona mihitsy izy, hilaza hoe: \u201cMbola haharitra ela izy ity! Koa manorena trano ka mipetraha ao. Manaova tanimboly ka hano ny vokatra avy aminy, ...\u201d\u2019\u201d\u2019\u201d",
"29": "Rehefa novakin\u2019i Zefania mpisorona teo anatrehan\u2019i Jeremia mpaminany ilay taratasy,",
"30": "dia niteny tamin\u2019i Jeremia i Jehovah hoe:",
"31": "\u201cMandefasa hafatra any amin\u2019ny olona rehetra any an-tsesitany hoe: \u2018Izao no lazain\u2019i Jehovah momba an\u2019i Semaia avy any Nehelama: \u201cKoa satria naminany taminareo i Semaia nefa tsy nirahiko, ka nampino lainga anareo,",
"32": "dia izao no lazain\u2019i Jehovah: \u2018Hosaziko i Semaia avy any Nehelama sy ny taranany. Tsy hisy taranany ho tavela eto amin\u2019ity firenena ity, ary tsy hahita ny zavatra tsara hataoko ho an\u2019ny vahoakako izy\u2019, hoy i Jehovah. \u2018Mampirisika ny olona hikomy amin\u2019i Jehovah mantsy izy.\u2019\u201d\u2019\u201d"
},
"30": {
"1": "Niteny tamin\u2019i Jeremia i Jehovah hoe:",
"2": "\u201cIzao no lazain\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely: \u2018Soraty amin\u2019ny boky izay teny rehetra lazaiko aminao.",
"3": "Fa \u201cho avy ny andro\u201d, hoy i Jehovah, \u201cizay hanangonako an\u2019ireo vahoakako lasa babo, dia ny Israely sy Joda\u201d, hoy i Jehovah. \u201cHampodiko ao amin\u2019ilay tany nomeko ny razambeny izy ireo, ka ho azony indray ny taniny.\u201d\u2019\u201d",
"4": "Izao no tenin\u2019i Jehovah tamin\u2019ny Israely sy Joda:",
"5": "Izao no lazain\u2019i Jehovah: \u201cMaheno feo mangovitra izahay. Horohoro no manjaka, fa tsy fiadanana.",
"6": "Mba anontanio, azafady, raha misy lehilahy afaka miteraka. Koa nahoana ny lehilahy matanjaka rehetra no hitako mitazona ny kibony Hoatran\u2019ny vehivavy efa ho teraka? Nahoana no hatsatra ny tarehy rehetra?",
"7": "Indrisy! Andro mahatsiravina izany. Tsy misy mitovy aminy. Fotoam-pahoriana ho an\u2019i Jakoba izany, Nefa ho voavonjy amin\u2019izany izy.\u201d",
"8": "\u201cAmin\u2019izany andro izany\u201d, hoy i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, \u201cdia hotapahiko ilay zioga eny amin\u2019ny vozonao ary hotapahiko\u00a0roa ny tady mangeja anao. Tsy hisy vahiny hanao azy ho andevo intsony.",
"9": "Dia hanompo an\u2019i Jehovah Andriamaniny izy ireo, ary hanompo an\u2019i Davida mpanjakany. Izy no hotendreko hitondra azy ireo.\u201d",
"10": "\u201cKoa aza matahotra ianao, ry\u00a0Jakoba mpanompoko\u201d, hoy i Jehovah, \u201cAry aza mihorohoro, ry\u00a0Israely\u00a0\u00f4! Fa hovonjeko avy any an-tany lavitra ianao, Ary ny taranakao hovonjeko avy any amin\u2019ny tany nahababo azy. Dia hiverina i Jakoba, ka hilamina sy tsy hisy hanakorontana. Tsy hisy hampatahotra azy ireo.\u201d",
"11": "\u201cFa ho eo foana aho mba hamonjy anao\u201d, hoy i Jehovah, \u201cHaripako kosa ny firenena rehetra nanaparitahako anao. Ianao anefa tsy mba haripako. Hanariko araka ny antonony ianao, Ary tsy havelako ho afa-maina fotsiny fa hosaziko.\u201d",
"12": "Fa izao no lazain\u2019i Jehovah: \u201cTsy misy fanafany ny fahavoazanao. Tsy mety sitrana ny ratranao.",
"13": "Tsy misy olona hiteny hiaro anao, Ary tsy misy azo atao hitsaboana ny ferinao. Tsy misy fanafody mahasitrana anao.",
"14": "Nanadino anao ireo lehilahy rehetra niaraka taminao. Tsy mitady anao intsony izy ireo. Fa namely anao toy ny famelin\u2019ny fahavalo aho. Nanasazy anao toy ny ataon\u2019ny olona masiaka\u00a0be aho. Be dia be mantsy ny heloka vitanao ary maro ny fahotanao.",
"15": "Fa maninona ianao no mitaraina noho ny fahavoazanao? Tsy mety mijanona ny fanaintainanao! Be ny heloka vitanao ary maro ny fahotanao, Ka izany no nahatonga ahy hanao an\u2019izany taminao.",
"16": "Koa hisy handrapaka izay rehetra mandrapaka anao, Ary ho lasa babo daholo koa ny fahavalonao. Hisy haka an-keriny ny fananan\u2019izay maka an-keriny ny fanananao, Ary havelako hisy handroba izay rehetra mandroba anao.\u201d",
"17": "\u201cHataoko salama indray anefa ianao, ary hositraniko ny ratranao\u201d, hoy i Jehovah, \u201cNa dia nailikilik\u2019izy ireo aza ianao ka nantsoiny hoe: \u2018Ziona, ilay tsy misy mpitady.\u2019\u201d",
"18": "Izao no lazain\u2019i Jehovah: \u201cHiverina any amin\u2019ny tranolain\u2019i Jakoba aho, ka hanangona an\u2019ireo babo Sy hiantra an\u2019ireo tranolainy. Haorina indray eo amin\u2019ilay havoana nisy azy ilay tan\u00e0na, Ary ho eo amin\u2019ny toerana tokony hisy azy ilay tilikambo voaro mafy.",
"19": "Hisy fisaorana avy ao ary hisy feon\u2019olona mihomehy. Hataoko maro be ny taranany, ka tsy ho vitsy izy ireo. Hataoko be dia be izy ireo, Ka tsy ho vitsy an\u2019isa.",
"20": "Ho toy ny taloha indray ny taranany, Ary ho mafy orina eo anatrehako ny fireneny. Hosaziko izay rehetra mampijaly azy.",
"21": "Ny iray amin\u2019izy ireo no ho lasa olo-manan-kaja eo aminy, Ary avy eo aminy no hivoahan\u2019ilay mpitondra azy. Hasaiko manakaiky ahy izy, ka hanatona ahy.\u201d \u201cFa raha tsy izany, iza moa no ho sahy hanatona ahy?\u201d, hoy i Jehovah.",
"22": "\u201cDia ho lasa vahoakako ianareo, ary izaho ho Andriamanitrareo.\u201d",
"23": "Hifofofofo toy ny tafio-drivotra ny fahatezeran\u2019i Jehovah. Ho toy ny rivo-mahery mihodinkodina eo amin\u2019ny lohan\u2019ny ratsy fanahy izany.",
"24": "Tsy hitony ny fahatezerana mafin\u2019i Jehovah Raha tsy efa vitany sy tanterany ny fikasan\u2019ny fony. Ho azonareo izany any am-parany."
},
"31": {
"1": "\u201cAmin\u2019izany fotoana izany\u201d, hoy i Jehovah, \u201cdia ho Andriamanitry ny foko rehetra eo amin\u2019ny Israely aho, ary izy ireo ho vahoakako.\u201d",
"2": "Izao no lazain\u2019i Jehovah: \u201cNahazo sitraka tany an-tany efitra ireo olona tsy matin\u2019ny sabatra, Rehefa nankany amin\u2019ilay tany ialany sasatra ny Israely.\u201d",
"3": "Niseho tamiko avy lavitra i\u00a0Jehovah, ka nilaza hoe: \u201cFitiavana mandrakizay no itiavako anao. Izany no nahatonga ahy hitaona anao hanatona ahy, satria tia anao sy tsy mivadika aminao aho.",
"4": "Haoriko indray ianao ka ho voaorina. Mbola haka ny ampongatapakao indray ianao, ry\u00a0Israely virjiny\u00a0\u00f4, Ka hivoaka handihy sy hifaly.",
"5": "Ary hamboly voaloboka eny an-tendrombohitr\u2019i Samaria indray ianao. Hamboly ny mpamboly ka hihinana ny vokatra azony.",
"6": "Fa ho avy ny andro hiantsoantsoan\u2019ny mpitily eny an-tendrombohitr\u2019i Efraima hoe: \u2018Mitsang\u00e0na, andao hiakatra any Ziona, any amin\u2019i Jehovah Andriamanitsika!\u2019\u201d",
"7": "Izao mantsy no lazain\u2019i Jehovah: \u201cManaova horakora-pifaliana ho an\u2019i Jakoba. Mihobia fa ianao no sangany amin\u2019ireo firenena. Ambarao izany! Derao Andriamanitra, ary milaz\u00e0 hoe: \u2018Jehovah\u00a0\u00f4, mba vonjeo ny vahoakanao, dia izay sisa amin\u2019ny Israely!\u2019",
"8": "Hoentiko miverina avy any amin\u2019ilay tany any avaratra izy ireo. Hangoniko avy any amin\u2019ny faritra lavitra indrindra amin\u2019ny tany izy ireo. Ho eo daholo na ny jamba na ny malemy tongotra Na ny vehivavy bevohoka na ny efa ho teraka. Fiangonana lehibe izy ireo rehefa hiverina eto.",
"9": "Hiverina izy ireo sady hitomany. Hitarika azy ireo aho raha mbola eo am-pitalahoana famindram-po izy ireo. Hoentiko eny amin\u2019ny rano mikoriana izy ireo, Ary lalana mitovy tantana tsy hahatafintohina azy no hitondrako azy. Fa Ray ho an\u2019ny Israely aho, ary i Efraima no lahimatoako.\u201d",
"10": "Henoy ny tenin\u2019i Jehovah, ry\u00a0firenena, Ary ambarao any amin\u2019ireo nosy lavitra izany, ka lazao hoe: \u201cIlay nampiely ny Israely no hanangona azy. Hikarakara azy toy ny mpiandry ondry mikarakara ny andian\u2019ondriny izy.",
"11": "Fa hanavotra an\u2019i Jakoba i\u00a0Jehovah, Ka hamonjy azy eo am-pelatanan\u2019ilay mahery noho izy.",
"12": "Dia ho avy izy ireo ka hihoby eny amin\u2019ny havoanan\u2019i Ziona. Ary ho miramirana izy ireo noho ny hatsaran-toetran\u2019i Jehovah, Noho ny varimbazaha sy ny divay vaovao sy ny menaka, Ary noho ny zanaky ny ondry aman\u2019osy sy ny zanak\u2019omby. Ho toy ny tanimboly azon-drano tsara izy ireo, Ka tsy ho reraka intsony mihitsy.\u201d",
"13": "\u201cAmin\u2019izany fotoana izany, dia hifaly sy handihy ny virjiny, Sy ny tovolahy ary ny lehilahy efa antitra. Hovako ho fifaliana ny fahoriany. Hampiononiko izy ireo, ary hampifaliko mba hisinda ny alahelony.",
"14": "Hataoko afa-po amin\u2019ny sakafo tondraka ny mpisorona, Ary ny vahoakako ho vokin\u2019ny hatsaran-toetrako\u201d, hoy i Jehovah.",
"15": "\u201cIzao no lazain\u2019i Jehovah: \u2018Misy feo re any Rama, dia feon\u2019olona midradradradra sy mitomany\u00a0be: Mitomany an\u2019ireo zanany lahy i Rahely. Tsy mety hampiononina izy, Satria tsy eo intsony izy ireny.\u2019\u201d",
"16": "Izao no lazain\u2019i Jehovah: \u201c\u2018Aza midradradradra intsony ary aza mandrotsaka ranomaso, Fa hovalian-tsoa izay nataonao\u2019, hoy i Jehovah. \u2018Hiverina avy any amin\u2019ny tanin\u2019ny fahavalo izy ireny.\u2019",
"17": "\u2018Misy antenaina ny hoavinao\u2019, hoy i Jehovah. \u2018Hiverina ao amin\u2019ny faritra nisy azy ny zanakao lahy.\u2019\u201d",
"18": "\u201cHenoko tokoa i Efraima nitaraina hoe: \u2018Nanitsy ahy ianao ka nanaiky hahitsy aho, Toy ny zanak\u2019omby mbola tsy nofolahina. Ento miverina aho, dia hiverina avy hatrany, Satria ianao no Jehovah Andriamanitro.",
"19": "Fa nanenina aho dia niverina taminao. Rehefa nampahafantarina ahy izany, dia nokapohiko ny feko satria nalahelo aho. Menatra sy afa-baraka aho, Satria nitondra latsa aho noho izay nataoko tamin\u2019izaho mbola tanora.\u2019\u201d",
"20": "\u201cTsy zanako tena tiako ve i Efraima, ary zanaka mamin\u2019ny foko? Isaky ny manameloka azy mantsy aho, dia tena mbola mahatsiaro azy ihany. Izany no mahatonga ahy hihetsi-po noho ny aminy. Ary tena hiantra azy aho\u201d, hoy i Jehovah.",
"21": "\u201cManang\u00e0na marika famantaran-dalana ho anao, Ary mametraha takelaka manondro lalana. Diniho tsara ny lalambe, dia ilay lalana tokony halehanao. Ary miverena, ry\u00a0Israely virjiny\u00a0\u00f4! Miverena any amin\u2019ireo tan\u00e0nanao.",
"22": "Mandra-pahoviana ianao no mbola hiroaroa saina, ry\u00a0zanakavavy mpivadika? Fa namorona zava-baovao eto an-tany i Jehovah, Dia vehivavy maimay hanenjika lehilahy.\u201d",
"23": "Izao no lazain\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, Andriamanitry ny Israely: \u201cRehefa angoniko ireo mponin\u2019i Joda lasa babo, dia hisy hiteny indray any Joda sy ao amin\u2019ireo tan\u00e0nany hoe: \u2018Hotahin\u2019i Jehovah anie ianao, ry\u00a0fonenan\u2019ny fahamarinana sy tendrombohitra masina\u00a0\u00f4!\u2019",
"24": "Hiara-monina ao daholo ny Joda sy ny olona ao amin\u2019ny tan\u00e0nany rehetra, anisan\u2019izany ny tantsaha sy ireo mpandroaka biby fiompy.",
"25": "Homeko izay ilainy ny reraka, ary hataoko voky izay rehetra reraky ny hanoanana.\u201d",
"26": "Tamin\u2019izay dia nifoha aho, ka nahiratro ny masoko. Ary mamy tamiko ny torimasoko.",
"27": "\u201cHenoy izao!\u201d, hoy i Jehovah. \u201cHo avy ny andro hamafazako voa eo amin\u2019ny taranak\u2019Israely sy ny taranak\u2019i Joda, ka olona sy biby fiompy no voa hafafiko.\u201d",
"28": "\u201cNanara-maso azy ireo aho mba hanongotana, handrodanana, handravana, handringanana, ary hanimbana azy. Hanara-maso azy ireo hoatr\u2019izany koa aho mba hanorenana sy hambolena azy\u201d, hoy i Jehovah.",
"29": "\u201cTsy hisy hiteny intsony amin\u2019izany andro izany hoe: \u2018Ny ray no nihinana voaloboka marikivy, nefa ny nifin\u2019ny zanany no nadilo.\u2019",
"30": "Fa samy ho fatin\u2019ny fahadisoany ihany ny tsirairay. Izay mihinana voaloboka marikivy no hadilo nify.\u201d",
"31": "\u201cHenoy izao!\u201d, hoy i Jehovah. \u201cHo avy ny andro hanaovako fifanekena vaovao amin\u2019ny taranak\u2019Israely sy ny taranak\u2019i Joda.",
"32": "Tsy ho hoatran\u2019ilay fifanekena nataoko tamin\u2019ny razambeny, tamin\u2019ny andro nitantanako azy nivoaka avy tany Ejipta, anefa izany. \u2018Nivadika tamin\u2019iny fifanekena nataoko iny mantsy izy ireo, na dia izaho aza no tena tompony\u2019, hoy i Jehovah.\u201d",
"33": "\u201cFa izao no fifanekena hataoko amin\u2019ny taranak\u2019Israely, aorian\u2019izany andro izany\u201d, hoy i Jehovah: \u201cHataoko ao anatin\u2019izy ireo ny lal\u00e0ko, sady hosoratako ao am-pony. Dia ho Andriamaniny aho, ary izy ireo ho vahoakako.\u201d",
"34": "\u201cSamy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny intsony izy ireo hoe: \u2018Fantaro i Jehovah!\u2019 Hahafantatra ahy mantsy izy rehetra, hatramin\u2019ny kely indrindra ka hatramin\u2019ny lehibe indrindra\u201d, hoy i Jehovah. \u201cFa havelako ny fahadisoany, ary tsy hotsaroako intsony ny fahotany.\u201d",
"35": "Izao no lazain\u2019i Jehovah, Ilay manome ny masoandro mba hanazava amin\u2019ny andro, Sy manome lal\u00e0na mifehy ny volana sy ny kintana mba hanazava amin\u2019ny alina, Ilay mampisamboaravoara ny ranomasina sy mampidoboka ny onjany, Ilay manana anarana hoe Jehovah Tompon\u2019ny tafika:",
"36": "\u201c\u2018Raha sanatria ka tsy manan-kery intsony ireny lal\u00e0na ireny\u2019, hoy i Jehovah, \u2018Dia amin\u2019izay ihany ny taranak\u2019Israely vao tsy ho firenena eo anatrehako intsony.\u2019\u201d",
"37": "Izao no lazain\u2019i Jehovah: \u201c\u2018Raha misy mahavita mandrefy ny lanitra ambony, sy mitsidika ny fototry ny tany mba hahalalana an\u2019izay misy any, dia amin\u2019izay ihany aho vao ho afaka handa ny taranak\u2019Israely manontolo, noho izay rehetra nataon\u2019izy ireo\u2019, hoy i Jehovah.\u201d",
"38": "\u201cHenoy izao!\u201d, hoy i Jehovah. \u201cHo avy ny andro hanorenana indray ny tan\u00e0na ho an\u2019i Jehovah, manomboka eo amin\u2019ny Tilikambon\u2019i Hananela ka hatrany amin\u2019ny Vavahady An-jorony.",
"39": "Mbola hohenjanina mahitsy hatrany amin\u2019ny havoanan\u2019i Gareba ny tady fandrefesana, ary hihodina mankany Goa.",
"40": "Ho masina amin\u2019i Jehovah ny lohasaha rehetra fanariana faty sy lavenona, sy ny tanimboly mikitohatohatra rehetra hatrany amin\u2019ny Lohasahan\u2019i Kidrona, ary hatrany amin\u2019ny zoron\u2019ny Vavahadin-tsoavaly any atsinanana. Tsy hongotana intsony mihitsy izany na horavana.\u201d"
},
"32": {
"1": "Nampita ny teniny tamin\u2019i Jeremia i Jehovah, tamin\u2019ny taona faha-10 nanjakan\u2019i Zedekia mpanjakan\u2019ny Joda, izany hoe tamin\u2019ny taona faha-18 nanjakan\u2019i Nebokadnezara.",
"2": "Nanao fahirano an\u2019i Jerosalema ny tafiky ny mpanjakan\u2019i Babylona tamin\u2019izay fotoana izay. I Jeremia mpaminany kosa nigadra tao amin\u2019ny Tokotanin\u2019ny Mpiambina, teo amin\u2019ny tranon\u2019ny mpanjakan\u2019ny Joda.",
"3": "Nogadrain\u2019i Zedekia mpanjakan\u2019ny Joda mantsy izy. Hoy i Zedekia taminy: \u201cFa maninona ianao no maminany hoatr\u2019izany? Milaza ianao hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah: \u201cHataoko resin\u2019ny mpanjakan\u2019i Babylona ity tan\u00e0na ity, ka ho azony.",
"4": "Ary tsy ho afa-mandositra an\u2019ireo Kaldeanina i Zedekia mpanjakan\u2019ny Joda. Fa hatolotra eo an-tanan\u2019ny mpanjakan\u2019i Babylona tokoa izy, ka hiresaka mivantana aminy sy hifanatri-maso aminy.\u201d\u2019",
"5": "\u2018Hoentiny any Babylona i Zedekia, ka hijanona any mandra-pahatongan\u2019ny fotoana hijereko azy\u2019, hoy i Jehovah. \u2018Tsy ho resinareo ny Kaldeanina, na dia hiady aminy foana aza ianareo.\u2019\u201d",
"6": "Hoy i Jeremia: \u201cNiteny tamiko i Jehovah hoe:",
"7": "\u2018Ho avy at\u1ef3 aminao i Hanamela zanak\u2019i Saloma rahalahin-drainao, hiteny hoe: \u201cVidio ho anao ilay sahako ao Anatota, satria ianao no voalohany manan-jo hanavotra azy.\u201d\u2019\u201d",
"8": "Tonga tokoa i Hanamela zanaky ny rahalahin-draiko, araka ny tenin\u2019i Jehovah, ka nankao amiko tao amin\u2019ny Tokotanin\u2019ny Mpiambina. Ary hoy izy tamiko: \u201cMba vidio, azafady, ilay sahako ao Anatota, any amin\u2019ny tanin\u2019i Benjamina, fa ianao no manan-jo haka sy hanavotra azy. Vidio ho anao ilay izy.\u201d Dia fantatro fa izay no sitrapon\u2019i Jehovah.",
"9": "Koa novidiko tamin\u2019i Hanamela zanaky ny rahalahin-draiko ilay saha tao Anatota. Nolanjaiko ny vola homena azy, dia fito sekely sy volafotsy folo sekely.",
"10": "Nanao taratasy fifanekena sy nanisy tombo-kase an\u2019ilay izy aho avy\u00a0eo, ary naka vavolombelona, dia nandanja ny vola tamin\u2019ny mizana.",
"11": "Nalaiko ilay taratasy fifampivarotana, izany hoe ilay nasiana tombo-kase araka ny didy sy araka izay notakin\u2019ny lal\u00e0na, sy ilay iray tsy nasiana tombo-kase.",
"12": "Ary nomeko an\u2019i Baroka zanak\u2019i Neria, zanak\u2019i Mahaseia, ilay taratasy fifampivarotana. Nomeko azy teo anatrehan\u2019i Hanamela zanaky ny rahalahin-draiko ilay izy, sy teo anatrehan\u2019ireo vavolombelona nanoratra tao amin\u2019ilay taratasy, ary teo anatrehan\u2019ny Jiosy rehetra nipetraka teo amin\u2019ny Tokotanin\u2019ny Mpiambina.",
"13": "Dia izao no didy nomeko an\u2019i Baroka, teo anatrehan\u2019izy ireo:",
"14": "\u201cIzao no lazain\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, Andriamanitry ny Israely: \u2018Raiso ireto taratasy fifanekena ireto, dia ilay taratasy fifampivarotana nasiana tombo-kase sy ilay tsy nasiana tombo-kase, ka ataovy ao anaty vilany tany mba ho azo tehirizina ela\u00a0be.\u2019",
"15": "Fa izao no lazain\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, Andriamanitry ny Israely: \u2018Mbola hisy trano sy saha ary tanimboaloboka hovidina indray eto amin\u2019ity tany ity.\u2019\u201d",
"16": "Rehefa avy nomeko an\u2019i Baroka zanak\u2019i Neria ilay taratasy fifampivarotana, dia nivavaka tamin\u2019i Jehovah aho hoe:",
"17": "\u201cIndrisy, ry\u00a0Jehovah Tompo Fara Tampony\u00a0\u00f4! Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany tamin\u2019ny herinao lehibe sy ny sandrinao mahery. Tsy misy zava-mahagaga tsy vitanao.",
"18": "Be\u00a0fitiavana sy tsy mivadika amin\u2019olona an\u2019arivony ianao, nefa mamela ny zanaka hiharan\u2019ny vokatry ny fahadisoan\u2019ny rainy. Ianao no tena Andriamanitra, Ilay tena miavaka sy mahery, ilay manana anarana hoe Jehovah Tompon\u2019ny tafika.",
"19": "Manana fikasana lehibe ianao, ary hita amin\u2019ny zava-bitanao hoe mahery ianao. Mandinika an\u2019izay rehetra ataon\u2019ny olombelona ny masonao, mba hamalianao ny tsirairay araka ny fitondran-tenany sy ny ataony.",
"20": "Nanao famantarana sy fahagagana tany Ejipta ianao, ary mbola fantatr\u2019olona izany hatramin\u2019izao. Nataonao nalaza teto amin\u2019ny Israely sy teo amin\u2019ny olombelona \u00e0ry ny anaranao, toy ny amin\u2019izao andro izao.",
"21": "Dia nitondra ny Israely vahoakanao nivoaka avy tany Ejipta ianao, ka nanao famantarana sy fahagagana, sady nampiasa ny tananao matanjaka sy ny sandrinao mahery, ary nanao zavatra mampahatahotra\u00a0be.",
"22": "\u201cTat\u1ef3 aoriana, dia nomenao azy ireo ity tany ity.\u00a0Efa nianiana tamin\u2019ny razambeny mantsy ianao fa hanome azy tany tondra-dronono sy tantely.",
"23": "Dia tonga teto amin\u2019ity tany ity izy ireo ka naka azy. Tsy nankat\u00f2 ny teninao anefa izy ireo sady tsy nanaraka ny lal\u00e0nao. Tsy nisy nataon\u2019izy ireo izay rehetra nasainao nataony, ka nampiharinao taminy izao loza rehetra izao.",
"24": "Jereo fa manangana dongon-tany hanaovana fahirano an\u2019ilay tan\u00e0na ny fahavalo! Tena ho resin\u2019ny Kaldeanina manafika azy ilay tan\u00e0na, satria ho tratran\u2019ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana. Tanteraka daholo izay nolazainao, araka izao hitanao izao.",
"25": "Nilaza tamiko anefa ianao, ry\u00a0Jehovah Tompo Fara Tampony hoe: \u2018Vidio ho anao ilay saha ary aloavy ny vola, dia mak\u00e0 vavolombelona\u2019, na dia tena ho resin\u2019ny Kaldeanina aza ilay tan\u00e0na!\u201d",
"26": "Dia niteny tamin\u2019i Jeremia i Jehovah hoe:",
"27": "\u201cIzaho no Jehovah Andriamanitry ny olombelona rehetra. Misy zava-mahagaga tsy vitako ve?",
"28": "Koa izao no lazain\u2019i Jehovah: \u2018Hatolotro eo an-tanan\u2019ny Kaldeanina sy Nebokadnezara mpanjakan\u2019i Babylona ity tan\u00e0na ity, ka ho azony.",
"29": "Hiditra ato amin\u2019ity tan\u00e0na ity ny Kaldeanina izay manafika azy, ka handoro azy. Hodorany koa ny trano nanoloran\u2019ny olona fanatitra teny an-tampony, izany hoe nanaovana sorona ho an\u2019i Bala sy nandrarahana fanatitra zava-pisotro ho an\u2019ny andriamani-kafa mba hampahatezitra ahy.\u2019",
"30": "\u201c\u2018Fa izay ratsy eo imasoko ihany no ataon\u2019ny vahoakan\u2019Israely sy Joda, efa hatramin\u2019izy ireo mbola tanora. Mbola mampahatezitra ahy foana ny zavatra ataon\u2019ny vahoakan\u2019Israely\u2019, hoy i Jehovah.",
"31": "\u2018Fa tsy manao afa-tsy izay mampahatezitra sy mampisafoaka ahy ity tan\u00e0na ity, hatramin\u2019ny andro nanorenana azy ka hatramin\u2019izao. Koa tsy maintsy hesorina eo anatrehako izy,",
"32": "noho ny ratsy rehetra nataon\u2019ny vahoakan\u2019Israely sy Joda mba hampahatezitra ahy. Samy nanao ratsy na ry\u00a0zareo, na ny mpanjakany, na ny andrianany, na ny mpisorony, na ny mpaminaniny, na ny fokon\u2019i Joda, na ny mponin\u2019i Jerosalema.",
"33": "Nanome lamosina ahy foana izy ireo, fa tsy nanatrika ahy. Tsy nisy nihaino mba handray anatra izy ireo, na dia niezaka nampianatra azy imbetsaka aza aho.",
"34": "Ary nataony tao amin\u2019ilay trano mitondra ny anarako ireo sampiny maharikoriko, mba handotoana ny tranoko.",
"35": "Nanorina an\u2019ireo toerana avo ho an\u2019i Bala, ao amin\u2019ny Lohasahan\u2019ny Taranak\u2019i Hinoma, koa izy ireo, mba handoroany ny zanany lahy sy ny zanany vavy ao anaty afo ho an\u2019i Moleka. Tsy nandidy azy hanao an\u2019izany anefa aho ary tsy tao an-tsaiko akory aza ny hanao an\u2019izany zava-maharikoriko izany, ka hoe hahatonga ny Joda hanota.\u2019",
"36": "\u201cKoa izao no lazain\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely momba an\u2019ity tan\u00e0na ity, izay nolazainareo hoe hatolotra eo an-tanan\u2019ny mpanjakan\u2019i Babylona ka ho tratran\u2019ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana:",
"37": "\u2018Hangoniko izy ireo, ka halaiko avy any amin\u2019ny tany rehetra nanaparitahako azy tamin\u2019izaho tezitra sy vinitra ary nisafoaka. Ary hampodiko eto amin\u2019ity toerana ity izy ireo ka havelako hiadana sy hilamina.",
"38": "Dia ho vahoakako izy ireo, ary izaho ho Andriamaniny.",
"39": "Hataoko iray fo izy ireo ary lalana iray ihany no handehanany, mba hatahorany ahy foana. Amin\u2019izay dia hahita soa izy sy ny zanany mandimby azy.",
"40": "Ary hanao fifanekena mandrakizay amin\u2019izy ireo aho, ka tsy hitsahatra hanao soa amin\u2019izy ireo. Dia hataoko ao am-pony ny fahatahorana ahy mba tsy hialany amiko.",
"41": "Ho faly hanao soa amin\u2019izy ireo aho, ka hataoko miorim-paka eto amin\u2019ity tany ity izy ireo. Hataoko amin\u2019ny foko manontolo sy ny heriko manontolo izany.\u2019\u201d",
"42": "\u201cFa izao no lazain\u2019i Jehovah: \u2018Toy ny nitondrako an\u2019izao loza amin\u2019antambo rehetra izao tamin\u2019ity vahoaka ity no hanatanterahako amin\u2019izy ireo ny soa rehetra ampanantenaiko azy.",
"43": "Ary hisy hividy saha indray eto amin\u2019ity tany ity, na dia milaza aza ianareo hoe: \u201cTany ngazana tsy misy olona na biby ity, sady efa nomena ho an\u2019ny Kaldeanina.\u201d\u2019",
"44": "\u201c\u2018Izao no hitranga ao amin\u2019ny tanin\u2019i Benjamina, eny amin\u2019ny faritra manodidina an\u2019i Jerosalema, ao amin\u2019ireo tan\u00e0nan\u2019i Joda, ny tan\u00e0na eny amin\u2019ny faritra be\u00a0tendrombohitra, ny tan\u00e0na eny amin\u2019ny faritra iva, ary ny tan\u00e0na any atsimo: Hividy saha amin\u2019ny volany ny olona, hanao taratasy fifampivarotana sy hanisy tombo-kase an\u2019ilay izy, ary haka vavolombelona satria hampodiko ireo babo\u2019, hoy i Jehovah.\u201d"
},
"33": {
"1": "Tamin\u2019i Jeremia mbola nogadraina tao amin\u2019ny Tokotanin\u2019ny Mpiambina, dia niteny taminy fanindroany i Jehovah hoe:",
"2": "\u201cIzao no lazain\u2019i Jehovah, ilay Mpanao ny tany, dia i Jehovah ilay namolavola azy io sy nanao azy ho mafy orina; Jehovah no anarany:",
"3": "\u2018Antsoy aho dia hamaly anao. Vonona aho hilaza aminao zavatra lehibe sy tsy takatry ny saina, izay mbola tsy fantatrao.\u2019\u201d",
"4": "\u201cFa izao no lazain\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely momba an\u2019ireo trano ato amin\u2019ity tan\u00e0na ity sy ireo tranon\u2019ny mpanjakan\u2019ny Joda, izay noravana mba hiatrehana an\u2019ireo fahavalo nanorina dongon-tany hanaovana fahirano sady nampiasa sabatra,",
"5": "sy momba an\u2019ireo tonga hiady amin\u2019ny Kaldeanina ka mameno an\u2019ireo toerana ireo amin\u2019ny fatin\u2019ireo olona novonoiko tao anatin\u2019ny hatezerako sy ny fahavinirako, dia ireo nanao ratsy ka nahatonga ahy hanafina ny tarehiko tsy hijery an\u2019ity tan\u00e0na ity:",
"6": "\u2018Hataoko matanjaka sy salama indray izy. Hanasitrana azy ireo aho, ary homeko fiadanam-be izy ireo sady haharihariko aminy ny fahamarinana.",
"7": "Hampodiko ny Joda sy Israely nentina babo. Ary hampahery azy ireo toy ny nataoko tamin\u2019ny voalohany aho.",
"8": "Hodioviko izy ireo mba ho afaka amin\u2019ny heloka rehetra vitany tamin\u2019izy ireo nanota tamiko. Havelako daholo ny helony tamin\u2019izy ireo nanota tamiko sy nandika ny lal\u00e0ko.",
"9": "Hahafaly ahy ny anaran\u2019ity tan\u00e0na ity, ary hahazo dera sy voninahitra eo anatrehan\u2019ny firenena rehetra eny ambonin\u2019ny tany aho noho ny aminy. Handre ny soa rehetra hataoko amin\u2019ny vahoakako mantsy izy ireny. Ary hihorohoro sy hangovitra izy ireny noho ny soa rehetra hataoko amin\u2019ilay tan\u00e0na sy ny fiadanam-be homeko azy.\u2019\u201d",
"10": "\u201cIzao no lazain\u2019i Jehovah: \u2018Eto amin\u2019ity toerana lazainareo hoe ngazana tsy misy olona na biby fiompy ity, izany hoe ao amin\u2019ireo tan\u00e0nan\u2019i Joda sy ny lalan\u2019i Jerosalema izay tsy misy olona na mponina na biby fiompy, dia mbola handrenesana",
"11": "feon\u2019olona mifaly sy miravoravo, feona mpampakatra sy ampakarina, ary feon\u2019ireo olona milaza hoe: \u201cMisaora an\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika fa tsara i Jehovah. Be\u00a0fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay!\u201d\u2019 \u201c\u2018Hitondra fanatitra fisaorana ao an-tranon\u2019i Jehovah izy ireo, satria hampodiko izay mponin\u2019ity tany ity lasa babo ka ho lasa toy ny taloha izy ireo\u2019, hoy i Jehovah.\u201d",
"12": "\u201cIzao no lazain\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika: \u2018Mbola hisy kijana hahafahan\u2019ny mpiandry ondry hampiala sasatra ny andian\u2019ondriny, eto amin\u2019ity toerana ngazana tsy misy olona na biby fiompy ity, sy ao amin\u2019ny tan\u00e0nany rehetra.\u2019",
"13": "\u201c\u2018Mbola hisy andian\u2019ondry handalo eo ambany tanan\u2019ny mpanisa azy ao amin\u2019ireo tan\u00e0na eny amin\u2019ny faritra be\u00a0tendrombohitra, ao amin\u2019ireo tan\u00e0na eny amin\u2019ny faritra iva, ao amin\u2019ireo tan\u00e0na any atsimo, ao amin\u2019ny tanin\u2019i Benjamina, ao amin\u2019ny faritra manodidina an\u2019i Jerosalema, ary ao amin\u2019ireo tan\u00e0nan\u2019i Joda\u2019, hoy i Jehovah.\u201d",
"14": "\u201c\u2018Henoy izao!\u2019, hoy i Jehovah. \u2018Ho avy ny andro hanatanterahako ny zava-tsoa nampanantenaiko momba ny taranak\u2019Israely sy ny taranak\u2019i Joda.",
"15": "Hampipoitra tsimoka marina ho an\u2019i Davida aho, amin\u2019izany andro sy fotoana izany. Ary hanao ny rariny sy ny hitsiny eo amin\u2019ilay tany izy.",
"16": "Hovonjena ny Joda amin\u2019izany andro izany ary hilamina i Jerosalema, ka izao no hiantsoana azy: I Jehovah no Fahamarinantsika.\u2019\u201d",
"17": "\u201cFa izao no lazain\u2019i Jehovah: \u2018Hisy lehilahy avy amin\u2019ny taranak\u2019i Davida foana hipetraka eo amin\u2019ny seza fiandrianan\u2019ny taranak\u2019Israely.",
"18": "Hisy lehilahy avy amin\u2019ny Levita mpisorona foana koa hitsangana eo anatrehako, mba hanolotra fanatitra dorana manontolo sy handoro fanatitra varimbazaha ary hanao sorona.\u2019\u201d",
"19": "Niteny tamin\u2019i Jeremia indray i Jehovah hoe:",
"20": "\u201cIzao no lazain\u2019i Jehovah: \u2018Raha vitanareo ny manafoana ny fifanekena nataoko momba ny andro sy ny fifanekena nataoko momba ny alina, mba hisakanana ny andro sy ny alina tsy ho tonga amin\u2019ny fotoana tokony hahatongavany,",
"21": "dia amin\u2019izay ihany vao ho azo foanana ny fifanekena nataoko tamin\u2019i Davida mpanompoko, ka tsy hanana zanakalahy ho mpanjaka hipetraka eo amin\u2019ny seza fiandrianany izy. Amin\u2019izay ihany koa vao ho azo foanana ny fifanekena nataoko tamin\u2019ny Levita mpisorona mpanompoko.",
"22": "Hataoko maro be ny taranak\u2019i Davida mpanompoko sy ny Levita manompo ahy, ka ho be dia be hoatran\u2019ny zavatra eny amin\u2019ny lanitra izay tsy voaisa, sy hoatran\u2019ny fasika any an-dranomasina izay tsy voafatra.\u2019\u201d",
"23": "Niteny tamin\u2019i Jeremia indray i Jehovah hoe:",
"24": "\u201cTsy efa henonao ve fa niteny ity vahoaka ity hoe: \u2018Hialan\u2019i Jehovah ireo fianakaviana roa nofidiny\u2019? Tsy hajain\u2019izy ireo ny vahoakako, ary tsy heverin\u2019izy ireo ho firenena intsony.",
"25": "\u201cIzao no lazain\u2019i Jehovah: \u2018Tsy hanova ny fifanekena nataoko momba ny andro sy ny alina aho, ary tsy hanova ny lal\u00e0na mifehy ny lanitra sy ny tany. Dia hoatr\u2019izany koa",
"26": "fa tsy hanary ny taranak\u2019i Jakoba sy Davida mpanompoko mihitsy aho. Koa hifidy olona avy amin\u2019ny taranany foana aho, mba ho mpanjaka eo amin\u2019ny taranak\u2019i Abrahama sy Isaka ary Jakoba. Hangoniko mantsy izay taranany lasa babo ka hiantrako.\u2019\u201d"
},
"34": {
"1": "Izao no tenin\u2019i Jehovah tamin\u2019i Jeremia, raha mbola niady tamin\u2019i Jerosalema sy ny tan\u00e0na rehetra nanodidina azy i Nebokadnezara mpanjakan\u2019i Babylona sy ny tafiny manontolo, sy ny fanjakana rehetra teto an-tany izay teo ambany fahefany, ary ny firenena rehetra:",
"2": "\u201cIzao no lazain\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely: \u2018Mandehana miresaka amin\u2019i Zedekia mpanjakan\u2019ny Joda, dia lazao aminy hoe: \u201cIzao no tenin\u2019i Jehovah: \u2018Hataoko resin\u2019ny mpanjakan\u2019i Babylona ity tan\u00e0na ity ka hodorany.",
"3": "Ary tsy ho afa-mandositra azy ianao, satria tsy maintsy ho tratra ka hatolotra eo an-tanany. Hifanatri-maso amin\u2019ny mpanjakan\u2019i Babylona ianao, ary izy hiresaka mivantana aminao. Dia hoentina any Babylona ianao.\u2019",
"4": "Izao anefa, ry\u00a0Zedekia mpanjakan\u2019ny Joda\u00a0\u00f4, henoy ny tenin\u2019i Jehovah: \u2018Izao no lazain\u2019i Jehovah momba anao: \u201cTsy ho fatin\u2019ny sabatra ianao,",
"5": "fa ho faty amim-piadanana. Handoro zava-manitra ho anao ny olona, toy ny nataony tamin\u2019ny razambenao, dia ireo mpanjaka talohanao. Ary hisaona anao izy ireo sady hilaza hoe: \u2018Indrisy, ry\u00a0tompoko\u00a0\u00f4!\u2019 Fa \u2018izaho no efa nanambara an\u2019izany teny izany\u2019, hoy i Jehovah.\u201d\u2019\u201d\u2019\u201d",
"6": "Dia nolazain\u2019i Jeremia mpaminany tamin\u2019i Zedekia mpanjakan\u2019ny Joda, teto Jerosalema, izany teny rehetra izany.",
"7": "Tamin\u2019izay ny tafiky ny mpanjakan\u2019i Babylona dia niady tamin\u2019i Jerosalema sy ny sisa rehetra tamin\u2019ireo tan\u00e0nan\u2019i Joda, dia i Lakisy sy Azeka. Ireo mantsy sisa no tan\u00e0na voaro mafy mbola tsy resy, tamin\u2019ireo tan\u00e0nan\u2019i Joda.",
"8": "Dia nampita ny teniny tamin\u2019i Jeremia i Jehovah, rehefa avy nanao fifanekena tamin\u2019ny olona rehetra teto Jerosalema i Zedekia Mpanjaka hoe hafahana ny mpanompo.",
"9": "Samy tokony hanafaka ny mpanompony hebreo izy ireo, na mpanompolahy izany na mpanompovavy, mba tsy hisy hanana mpanompo Jiosy hoatr\u2019azy intsony.",
"10": "Koa nankat\u00f2 an\u2019izany ny andriana rehetra sy ny vahoaka manontolo. Nanao an\u2019ilay fifanekena izy ireo hoe samy hanafaka ny mpanompolahiny sy ny mpanompovaviny, dia tsy hanao azy ireny ho mpanompo intsony. Nankat\u00f2 izy ireo ka namela azy ireny handeha.",
"11": "Naverin\u2019izy ireo indray anefa, tat\u1ef3 aoriana, ny mpanompolahiny sy ny mpanompovaviny izay efa nafahany. Dia notereny hanompo azy indray izy ireny.",
"12": "Koa nampita ny teniny tamin\u2019i Jeremia i Jehovah, ary izao no nolazain\u2019i Jehovah taminy:",
"13": "\u201cIzao no tenin\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely: \u2018Nanao fifanekena tamin\u2019ny razambenareo aho tamin\u2019ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany Ejipta, avy tao amin\u2019ny toerana nanandevozana azy. Nilaza tamin\u2019izy ireo aho hoe:",
"14": "\u201cRehefa tapitra ny fito\u00a0taona, dia samia manafaka ny Hebreo rahalahinareo, izay namidy taminareo ka efa nanompo anareo enin-taona. Tsy maintsy afahanareo izy.\u201d Tsy nihaino ahy anefa ny razambenareo, sady tsy nanongilan-tsofina.",
"15": "Niova kosa ianareo, tato ho ato, ary nanao izay tsara teo imasoko, ka nanafaka an\u2019ireo namanareo. Ary nanao fifanekena teo anatrehako tao amin\u2019ny trano mitondra ny anarako ianareo.",
"16": "Niova hevitra anefa ianareo avy\u00a0eo ary nanazimbazimba ny anarako, ka samy namerina ny mpanompolahinareo sy ny mpanompovavinareo, na dia efa nafahanareo aza izy ireny mba handehanany any amin\u2019izay tiany. Noterenareo hanompo anareo indray izy ireny.\u2019",
"17": "\u201cIzao \u00e0ry no lazain\u2019i Jehovah: \u2018Tsy nankat\u00f2 ahy ianareo, satria tsy nafahanareo ny rahalahinareo sy ny namanareo. Koa hafahako ianareo izao\u2019, hoy i Jehovah, \u2018mba ho fatin\u2019ny sabatra sy ny areti-mandringana ary ny mosary. Dia hataoko mihorohoro ny fanjakana rehetra eto an-tany mahita an\u2019izay hanjo anareo.",
"18": "Ary izao no hanjo an\u2019izay nivadika tamin\u2019ilay fifanekena nataoko, ka tsy nanatanteraka an\u2019izay voalazan\u2019ilay fifanekena nataony teo anatrehako, rehefa nozarainy roa ny zanak\u2019omby ka nandalo teo anelanelan\u2019izany izy ireo,",
"19": "dia ny andrianan\u2019i Joda, ny andrianan\u2019i Jerosalema, ny tandapa, ny mpisorona, ary ny vahoaka manontolo izay nandalo teo anelanelan\u2019ilay zanak\u2019omby nozaraina roa:",
"20": "Hatolotro eo an-tanan\u2019ny fahavalony sy ireo mitady hamono azy izy ireo, ka ho sakafon\u2019ny voro-manidina sy ny bibidia ny fatiny.",
"21": "Ary i Zedekia mpanjakan\u2019ny Joda sy ny andrianany, dia hatolotro eo an-tanan\u2019ny fahavalony sy ireo mitady hamono azy ary ny tafiky ny mpanjakan\u2019i Babylona, izay efa niala teo aminareo ka tsy nanafika anareo indray.\u2019",
"22": "\u201c\u2018Izaho no hanome baiko\u2019, hoy i Jehovah, \u2018ka haveriko eto amin\u2019ity tan\u00e0na ity izy ireo. Dia hotafihiny ity tan\u00e0na ity, ka halainy sy hodorany. Hataoko lasa ngazana tsy misy mponina ireo tan\u00e0nan\u2019i Joda.\u2019\u201d"
},
"35": {
"1": "Izao no nolazain\u2019i Jehovah tamin\u2019i Jeremia tamin\u2019ny andron\u2019i Joiakima zanak\u2019i Josia, mpanjakan\u2019ny Joda:",
"2": "\u201cMankanesa any amin\u2019ny fianakavian\u2019ny Rekabita, ka miresaha aminy ary ento ao an-tranon\u2019i Jehovah, ao amin\u2019ny iray amin\u2019ireo efitra fisakafoana, izy ireo. Dia omeo divay izy ireo hosotroiny.\u201d",
"3": "Nalaiko \u00e0ry i Jazania zanak\u2019i Jeremia, zanak\u2019i Habazinia, sy ny rahalahiny, ny zanany rehetra, ary ny fianakavian\u2019ny Rekabita manontolo.",
"4": "Dia nentiko tao an-tranon\u2019i Jehovah izy ireo, tao amin\u2019ny efitra fisakafoan\u2019ny taranak\u2019i Hanana zanak\u2019i Jigdalia, lehilahin\u2019Andriamanitra. Io efitra io dia teo akaikin\u2019ny efitra fisakafoan\u2019ireo andriana, tao ambonin\u2019ny efitra fisakafoan\u2019i Mahaseia zanak\u2019i Saloma, mpiandry varavarana.",
"5": "Dia norosoako divay ireo lehilahy anisan\u2019ny fianakavian\u2019ny Rekabita. Nataoko tao anaty kaopy isan-karazany ilay izy, ary niteny aho hoe: \u201cMisotroa divay!\u201d",
"6": "Hoy anefa izy ireo: \u201cTsy hisotro divay izahay, satria efa nanome baiko anay i Jonadaba zanak\u2019i Rekaba razambenay hoe: \u2018Aza misotro divay ianareo na ny taranakareo, na rahoviana na rahoviana.",
"7": "Ary aza manao trano, na mamafy voa, na mamboly voaloboka. Tsy tokony hanana tanimboaloboka koa ianareo. Ao anaty tranolay foana kosa ianareo no hipetraka, mba ho ela\u00a0velona eo amin\u2019ilay tany ivahinianareo.\u2019",
"8": "Koa mbola ankatoavinay ny baiko rehetra nomen\u2019i Jonadaba zanak\u2019i Rekaba razambenay, ka tsy misotro divay mihitsy izahay, na ny vadinay, na ny zanakay lahy na ny zanakay vavy.",
"9": "Tsy manao trano hipetrahanay koa izahay, ary tsy manana tanimboaloboka na saha na masomboly.",
"10": "Mipetraka ao anaty tranolay foana izahay, ary mankat\u00f2 an\u2019izay rehetra nasain\u2019i Jonadaba razambenay nataonay.",
"11": "Fa rehefa niakatra hanafika an\u2019ilay tany i Nebokadnezara mpanjakan\u2019i Babylona, dia niteny izahay hoe: \u2018Andao hankao Jerosalema, mba tsy ho tratran\u2019ny tafiky ny Kaldeanina sy ny Syrianina!\u2019 Dia izany no mahatonga anay hipetraka eto Jerosalema.\u201d",
"12": "Dia niteny tamin\u2019i Jeremia i Jehovah hoe:",
"13": "\u201cIzao no lazain\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, Andriamanitry ny Israely: \u2018Mandehana lazao amin\u2019ny fokon\u2019i Joda sy ny mponin\u2019i Jerosalema hoe: \u201cTsy efa nampirisihina foana hankat\u00f2 ny teniko ve ianareo?\u201d, hoy i Jehovah.",
"14": "\u201cNanome baiko ny taranany i Jonadaba zanak\u2019i Rekaba mba tsy hisotro divay, dia narahin\u2019izy ireo ny teniny ka tsy misotro divay izy ireo hatramin\u2019izao. Mankat\u00f2 an\u2019izay lazain\u2019ny razambeny izy ireo. Izaho anefa efa niteny anareo imbetsaka, fa tsy nankatoavinareo.",
"15": "Nirahiko tany aminareo foana ny mpaminany mpanompoko rehetra. Imbetsaka aho no naniraka azy ireny tany aminareo mba hiteny hoe: \u2018Samia re miala amin\u2019ny ratsy fanaonareo\u00a0e, ary manaova ny tsara! Aza manaraka andriamani-kafa ary aza manompo an\u2019ireny. Dia hipetraka foana ao amin\u2019ilay tany nomeko anareo sy ny razambenareo ianareo.\u2019 Tsy nanongilan-tsofina nihaino ahy anefa ianareo.",
"16": "Ny taranak\u2019i Jonadaba zanak\u2019i Rekaba nanaraka ny baiko nomen\u2019ny razambeny, fa ity vahoaka ity kosa tsy mba mihaino ahy.\u201d\u2019\u201d",
"17": "\u201cKoa izao no lazain\u2019i Jehovah Andriamanitry ny tafika, Andriamanitry ny Israely: \u2018Hampihariko amin\u2019ny Joda sy ny mponina rehetra eto Jerosalema ny loza rehetra efa nampitandremako azy. Efa niteny azy ireo mantsy aho nefa tsy nihaino izy, ary niantso azy foana aho nefa tsy namaly izy.\u2019\u201d",
"18": "Ary hoy i Jeremia tamin\u2019ny fianakavian\u2019ny Rekabita: \u201cIzao no lazain\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, Andriamanitry ny Israely: \u2018Satria nankatoavinareo ny baiko nomen\u2019i Jonadaba razambenareo, ary mbola arahinareo an-tsakany sy an-davany foana ny baiko rehetra nomeny anareo,",
"19": "dia izao no tenin\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, Andriamanitry ny Israely: \u201cHisy olona avy amin\u2019ny taranak\u2019i Jonadaba zanak\u2019i Rekaba foana hanompo eo anatrehako.\u201d\u2019\u201d"
},
"36": {
"1": "Izao no nolazain\u2019i Jehovah tamin\u2019i Jeremia tamin\u2019ny taona fahefatra nanjakan\u2019i Joiakima zanak\u2019i Josia, mpanjakan\u2019ny Joda:",
"2": "\u201cMak\u00e0 horonam-boky, ka soraty ao ny teny rehetra nolazaiko taminao, tamin\u2019izaho nanameloka ny Israely sy ny Joda ary ny firenena rehetra, nanomboka tamin\u2019ny andro voalohany nitenenako taminao tamin\u2019ny andron\u2019i Josia ka hatramin\u2019izao.",
"3": "Angamba rehefa maheno ny loza rehetra nokasaiko hamelezana azy ny taranak\u2019i Joda, dia mety hiala amin\u2019ny fanao ratsiny, ka havelako ny fahadisoany sy ny fahotany.\u201d",
"4": "Nantsoin\u2019i Jeremia avy eo i Baroka zanak\u2019i Neria, ary notononin\u2019i Jeremia taminy ny teny rehetra nolazain\u2019i Jehovah. Dia nosoratan\u2019i Baroka tao amin\u2019ilay horonam-boky izany.",
"5": "Ary hoy i Jeremia tamin\u2019i Baroka: \u201cTsy afaka mankany an-tranon\u2019i Jehovah aho satria tsy mahazo mandeha any.",
"6": "Koa ianao no tsy maintsy mankany an-tranon\u2019i Jehovah amin\u2019ny andro fifadian-kanina. Dia vakio mafy amin\u2019ny olona ao ny tenin\u2019i Jehovah notononiko taminao, izay nosoratanao tao amin\u2019ilay horonam-boky. Hovakinao amin\u2019ny vahoakan\u2019ny Joda rehetra, izay tonga avy any amin\u2019ny tan\u00e0nany avy izany.",
"7": "Angamba ho henon\u2019i Jehovah ny fitalahoan\u2019izy ireo famindram-po, ary samy hiala amin\u2019ny fanao ratsiny izy ireo. Nilaza mantsy i Jehovah hoe tezitra\u00a0be sy vinitra mafy amin\u2019ity vahoaka ity izy.\u201d",
"8": "Nanao an\u2019izay rehetra nasain\u2019i Jeremia mpaminany nataony \u00e0ry i Baroka zanak\u2019i Neria. Novakiny mafy tao an-tranon\u2019i Jehovah ny tenin\u2019i Jehovah tao amin\u2019ilay horonam-boky.",
"9": "Tamin\u2019ny volana fahasivy, tamin\u2019ny taona fahadimy nanjakan\u2019i Joiakima zanak\u2019i Josia, mpanjakan\u2019ny Joda, dia nahazo filazana ny vahoaka manontolo teto Jerosalema sy ny olona rehetra avy any amin\u2019ny tan\u00e0nan\u2019i Joda, izay tonga teto Jerosalema, hoe tokony hifady hanina eo anatrehan\u2019i Jehovah izy ireo.",
"10": "Dia novakin\u2019i Baroka tamin\u2019ny vahoaka manontolo ny tenin\u2019i Jeremia tao amin\u2019ilay horonam-boky. Novakiny mafy tao an-tranon\u2019i Jehovah izany, tao amin\u2019ny efitr\u2019i Gemaria zanak\u2019i Safana mpanao dika soratra, tao amin\u2019ny tokotany ambony, teo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ilay vavahady vaovao amin\u2019ny tranon\u2019i Jehovah.",
"11": "Henon\u2019i Mikaia zanak\u2019i Gemaria, zanak\u2019i Safana, ny tenin\u2019i Jehovah rehetra tao amin\u2019ilay horonam-boky.",
"12": "Dia nidina nankao an-tranon\u2019ny mpanjaka izy, tao amin\u2019ny efitry ny mpitan-tsoratra. Hitany nipetraka tao daholo ny andriana: I Elisama mpitan-tsoratra, Delaia zanak\u2019i Semaia, Elnatana zanak\u2019i Akbora, Gemaria zanak\u2019i Safana, Zedekia zanak\u2019i Hanania, ary ny andriana hafa rehetra.",
"13": "Dia nolazain\u2019i Mikaia tamin\u2019izy ireo ny teny rehetra henony novakin\u2019i Baroka tamin\u2019ny vahoaka, avy tao amin\u2019ilay horonam-boky.",
"14": "Koa nirahin\u2019ny andriana rehetra ho any amin\u2019i Baroka i Jehody zanak\u2019i Netania, zanak\u2019i Selemia, zanak\u2019i Kosy, mba hilaza hoe: \u201cTongava at\u1ef3 dia ento miaraka aminao ilay horonam-boky novakinao tamin\u2019ny vahoaka.\u201d Dia nalain\u2019i Baroka zanak\u2019i Neria ilay horonam-boky, ary nankany amin\u2019izy ireo izy.",
"15": "Ary hoy izy ireo tamin\u2019i Baroka: \u201cMipetraha, azafady, dia vakio mafy aminay ilay izy.\u201d Dia novakiny tamin\u2019izy ireo ilay izy.",
"16": "Raha vao ren\u2019izy ireo izany teny rehetra izany, dia nifampijery izy ireo sady natahotra, ka nilaza tamin\u2019i Baroka hoe: \u201cTsy maintsy lazainay amin\u2019ny mpanjaka izany teny rehetra izany.\u201d",
"17": "Ary nanontany an\u2019i Baroka izy ireo hoe: \u201cMba lazao aminay, azafady, hoe ahoana no nanoratanao an\u2019izany teny rehetra izany? Notononiny taminao ve?\u201d",
"18": "Dia hoy i Baroka: \u201cNotononiny tamiko daholo izany teny izany, dia nosoratako tamin\u2019ny ranomainty tato amin\u2019ity horonam-boky ity.\u201d",
"19": "Ary niteny tamin\u2019i Baroka ireo andriana hoe: \u201cMandehana miafina ianao sy Jeremia, ary aza atao misy mahalala mihitsy izay misy anareo.\u201d",
"20": "Dia nankany amin\u2019ny mpanjaka tao an-tokotany ireo andriana, fa ilay horonam-boky kosa navelany tao amin\u2019ny efitr\u2019i Elisama mpitan-tsoratra. Ary nolazain\u2019izy ireo tamin\u2019ny mpanjaka izay rehetra henony.",
"21": "Koa nirahin\u2019ny mpanjaka i Jehody mba haka an\u2019ilay horonam-boky. Dia nalain\u2019i Jehody tao amin\u2019ny efitr\u2019i Elisama mpitan-tsoratra ilay izy, ka novakiny tamin\u2019ny mpanjaka sy ny andriana rehetra nitsangana teo akaikin\u2019ny mpanjaka.",
"22": "Volana fahasivy tamin\u2019izay, ka nipetraka tao amin\u2019ny trano fonenany rehefa ririnina ny mpanjaka, ary nisy afo nirehitra tao amin\u2019ilay fatana teo anoloany.",
"23": "Rehefa nahavaky tsanganan-tsoratra telo na efatra i Jehody, dia notapahin\u2019ny mpanjaka tamin\u2019ny antsin\u2019ny mpitan-tsoratra izay voavakiny, ka natsipin\u2019ny mpanjaka tao anaty afo tao am-patana. Nodorany tao am-patana daholo ilay horonam-boky tamin\u2019ny farany.",
"24": "Tsy mba natahotra na ny mpanjaka na ny mpanompony rehetra, rehefa naheno an\u2019izany teny rehetra izany. Tsy nandrovitra ny akanjony koa izy ireo.",
"25": "Na dia niangavy an\u2019ilay mpanjaka aza i Elnatana sy Delaia ary Gemaria mba tsy handoro an\u2019ilay horonam-boky, dia tsy nohenoiny izy ireo.",
"26": "Ary nomen\u2019ny mpanjaka baiko i Jeramela zanaky ny mpanjaka sy Seraia zanak\u2019i Azriela ary Selemia zanak\u2019i Abdela, mba hisambotra an\u2019i Baroka mpitan-tsoratra sy Jeremia mpaminany. Nafenin\u2019i Jehovah anefa izy roa lahy.",
"27": "Rehefa avy nodoran\u2019ny mpanjaka ilay horonam-boky nosoratan\u2019i Baroka, izay nisy ny teny notononin\u2019i Jeremia, dia niteny tamin\u2019i Jeremia indray i Jehovah hoe:",
"28": "\u201cMak\u00e0 horonam-boky hafa, ary soraty ao daholo ny teny tao amin\u2019ilay horonam-boky voalohany, izay nodoran\u2019i Joiakima mpanjakan\u2019ny Joda.",
"29": "Ary izao no holazainao amin\u2019i Joiakima mpanjakan\u2019ny Joda: \u2018Izao no lazain\u2019i Jehovah: \u201cEfa nodoranao ilay horonam-boky teo iny, ary niteny ianao hoe: \u2018Nahoana ianao no nanoratra tao amin\u2019iny hoe: \u201cTsy maintsy ho\u00a0avy handrava an\u2019ity tany ity ny mpanjakan\u2019i Babylona, ka haringany daholo na olona na biby\u201d?\u2019",
"30": "Koa izao no lazain\u2019i Jehovah mba hanamelohana an\u2019i Joiakima mpanjakan\u2019ny Joda: \u2018Tsy hisy amin\u2019ny taranany hipetraka eo amin\u2019ny seza fiandrianan\u2019i Davida, ary ny fatiny havela hodanihin\u2019ny andro amin\u2019ny antoandro ary hirotsahan\u2019ny lanezy manify amin\u2019ny alina.",
"31": "Hataoko ampamoaka noho ny fahadisoany izy sy ny taranany ary ny mpanompony. Ary hataoko tonga amin\u2019izy ireo sy amin\u2019ny mponin\u2019i Jerosalema ary amin\u2019ny fokon\u2019i Joda ny loza rehetra izay efa nolazaiko hamelezana azy fa tsy nohenoiny.\u2019\u201d\u2019\u201d",
"32": "Dia naka horonam-boky hafa i Jeremia, ka natolony an\u2019i Baroka mpitan-tsoratra, zanak\u2019i Neria. Koa nosoratan\u2019i Baroka tao ny teny rehetra notononin\u2019i Jeremia, izay efa tao amin\u2019ilay horonam-boky nodoran\u2019i Joiakima mpanjakan\u2019ny Joda. Ary mbola nampiana teny maro hafa hoatran\u2019ireo, tao amin\u2019ilay izy."
},
"37": {
"1": "Nanjaka nandimby an\u2019i Konia zanak\u2019i Joiakima i Zedekia Mpanjaka zanak\u2019i Josia, satria izy no notendren\u2019i Nebokadnezara mpanjakan\u2019i Babylona ho mpanjaka tao Joda.",
"2": "Tsy nihaino ny tenin\u2019i Jehovah nolazain\u2019i Jeremia mpaminany anefa i Zedekia sy ny mpanompony ary ny vahoaka.",
"3": "Nirahin\u2019i Zedekia Mpanjaka ho any amin\u2019i Jeremia mpaminany i Jehokala zanak\u2019i Selemia sy Zefania zanak\u2019i Mahaseia mpisorona, mba hilaza hoe: \u201cMba mivavaha re amin\u2019i Jehovah Andriamanitsika ho antsika\u00a0e!\u201d",
"4": "Afaka nivezivezy malalaka teo amin\u2019ny vahoaka i Jeremia tamin\u2019izay, satria mbola tsy natao am-ponja.",
"5": "Ary nivoaka avy any Ejipta ny tafik\u2019i Farao. Dia henon\u2019ireo Kaldeanina nanao fahirano an\u2019i Jerosalema izany, ka niala tsy nanafika an\u2019i Jerosalema indray izy ireo.",
"6": "Dia niteny tamin\u2019i Jeremia mpaminany i Jehovah hoe:",
"7": "\u201cIzao no lazain\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely: \u2018Izao tenenina amin\u2019ny mpanjakan\u2019ny Joda, izay naniraka anareo hanontany ahy: \u201cHenoy izao! Hiverina any amin\u2019ny taniny, any Ejipta, ny tafik\u2019i Farao izay tonga hanampy anareo.",
"8": "Dia hiverina indray ny Kaldeanina ka hanafika an\u2019ity tan\u00e0na ity sy haka azy ary handoro azy.\u201d",
"9": "Izao no lazain\u2019i Jehovah: \u201cAza mamita-tena ka miteny hoe: \u2018Tsy hiverina intsony ny Kaldeanina.\u2019 Tsy maintsy hiverina mantsy izy ireo.",
"10": "Na dia resinareo aza ny tafiky ny Kaldeanina manontolo miady aminareo, ka lehilahy maratra sisa no tavela, dia mbola hitsangana avy ao amin\u2019ny tranolainy izy ireny ka handoro an\u2019ity tan\u00e0na ity.\u201d\u2019\u201d",
"11": "Rehefa niala ny tafiky ny Kaldeanina ka tsy nanafika an\u2019i Jerosalema indray, satria efa an-dalana ny tafik\u2019i Farao,",
"12": "dia niainga avy tao Jerosalema i Jeremia mba hankany amin\u2019ny tanin\u2019i Benjamina sy hahazo an\u2019izay anjara tokony ho azy avy amin\u2019ny havany.",
"13": "Rehefa tonga teo amin\u2019ny Vavahadin\u2019i Benjamina anefa i Jeremia mpaminany, dia nosamborin\u2019ilay mpiandraikitra an\u2019ireo mpiambina vavahady. Jiria no anaran\u2019izy io, ary zanak\u2019i Selemia zanak\u2019i Hanania izy. Hoy izy taminy: \u201cHandeha hitolo-batana any amin\u2019ny Kaldeanina ianao io!\u201d",
"14": "Hoy anefa i Jeremia: \u201cTsy marina izany! Tsy hitolo-batana any amin\u2019ny Kaldeanina aho.\u201d Tsy nihaino azy anefa i Jiria. Koa nosamboriny i Jeremia ary nentiny tany amin\u2019ireo andriana.",
"15": "Dia tezitra\u00a0be tamin\u2019i Jeremia ireo andriana, ka nikapoka azy ary nanagadra azy tao an-tranon\u2019i Jonatana mpitan-tsoratra, satria tao no natao fonja.",
"16": "Natao tao amin\u2019ny efitra iray tao amin\u2019ny lakaly figadrana i Jeremia, dia nijanona tao nandritra ny andro maromaro.",
"17": "Dia naniraka olona haka an\u2019i Jeremia i Zedekia Mpanjaka. Ary nanontany azy mangingina tao an-tranony ny mpanjaka hoe: \u201cNiteny zavatra taminao ve i Jehovah?\u201d Dia namaly i Jeremia hoe: \u201cIe!\u201d Hoy ihany izy: \u201cHatolotra eo an-tanan\u2019ny mpanjakan\u2019i Babylona ianao!\u201d",
"18": "Nilaza tamin\u2019i Zedekia Mpanjaka koa i Jeremia hoe: \u201cFa dia inona loatra no fahotana vitako taminao sy tamin\u2019ny mpanomponao ary tamin\u2019ity firenena ity no gadrainareo aho?",
"19": "Aiza izao ireo mpaminaninareo izay nilaza taminareo hoe: \u2018Tsy ho avy hanafika anareo sy ity tany ity ny mpanjakan\u2019i Babylona\u2019?",
"20": "Mba henoy re aho, ry\u00a0mpanjaka tompoko\u00a0\u00f4! Mba henoy re ny fitalahoako\u00a0e! Aza averina ao an-tranon\u2019i Jonatana mpitan-tsoratra aho, sao ho faty ao!\u201d",
"21": "Koa nanome baiko i Zedekia Mpanjaka hoe hotazonina ao amin\u2019ny Tokotanin\u2019ny Mpiambina i Jeremia. Ary nomena mofo iray isan\u2019andro avy tany amin\u2019ny Lalan\u2019ny mpanao mofo izy, mandra-pahalanin\u2019ny mofo rehetra tao an-tan\u00e0na. Dia tao amin\u2019ny Tokotanin\u2019ny Mpiambina tao foana i Jeremia."
},
"38": {
"1": "Ary henon\u2019i Sefatia zanak\u2019i Matana, sy Gedalia zanak\u2019i Pasora, sy Jokala zanak\u2019i Selemia, ary Pasora zanak\u2019i Malkia ny teny nolazain\u2019i Jeremia tamin\u2019ny vahoaka manontolo, hoe:",
"2": "\u201cIzao no lazain\u2019i Jehovah: \u2018Izay mijanona ato amin\u2019ity tan\u00e0na ity, dia ho fatin\u2019ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana. Fa izay mitolo-batana any amin\u2019ny Kaldeanina kosa dia tsy ho faty, fa ny ainy no ho babony ka ho velona izy.\u2019",
"3": "Izao no lazain\u2019i Jehovah: \u2018Tsy maintsy ho resin\u2019ny tafiky ny mpanjakan\u2019i Babylona ity tan\u00e0na ity ka ho azony.\u2019\u201d",
"4": "Hoy ireo andriana tamin\u2019ny mpanjaka: \u201cMba asaivo vonoina ho faty iny lehilahy iny, fa manakivy an\u2019ireo miaramila sisa ato an-tan\u00e0na sy ny vahoaka rehetra izany teniny izany. Tsy mitady izay hiadanan\u2019ity firenena ity mantsy iny lehilahy iny, fa izay hahitany loza.\u201d",
"5": "Dia namaly i Zedekia Mpanjaka hoe: \u201cEo am-pelatananareo izy. Tsy misy na inona na inona azon\u2019ny mpanjaka atao hanakanana anareo.\u201d",
"6": "Koa nalain\u2019izy ireo i Jeremia dia nalatsany tao amin\u2019ny lavaka fanangonan-dranon\u2019i Malkia zanaky ny mpanjaka, tao amin\u2019ny Tokotanin\u2019ny Mpiambina. Tady no nampidinany an\u2019i Jeremia. Tsy nisy rano tao amin\u2019ilay lavaka fa fotaka fotsiny, ka nanomboka nilentika tao anaty fotaka i Jeremia.",
"7": "Henon\u2019i Ebeda-meleka Etiopianina, tandapa tao an-tranon\u2019ny mpanjaka, fa nalefan\u2019izy ireo tao anaty lavaka fanangonan-drano i Jeremia. Nipetraka teo amin\u2019ny Vavahadin\u2019i Benjamina ny mpanjaka tamin\u2019izay.",
"8": "Nivoaka avy tao an-tranon\u2019ny mpanjaka \u00e0ry i Ebeda-meleka ka niteny taminy hoe:",
"9": "\u201cRy mpanjaka tompoko\u00a0\u00f4! Tena ratsy ny zavatra nataon\u2019ireny lehilahy ireny tamin\u2019i Jeremia mpaminany! Natsipiny ao amin\u2019ny lavaka fanangonan-drano izy. Ho faty mosary ao izy satria tsy misy mofo intsony ato an-tan\u00e0na.\u201d",
"10": "Koa nanome baiko an\u2019i Ebeda-meleka Etiopianina ny mpanjaka hoe: \u201cMak\u00e0 30\u00a0lahy avy eto, ka ampiakaro avy ao anaty lavaka fanangonan-drano i Jeremia mpaminany dieny mbola tsy maty.\u201d",
"11": "Dia nentin\u2019i Ebeda-meleka niaraka taminy ireo lehilahy ireo, ary nankao an-tranon\u2019ny mpanjaka tao ambanin\u2019ny efitra fitehirizan-karena izy. Ary naka voro-damba sy tapa-damba tonta tao izy, ka nampidininy tamin\u2019ny tady ho ao amin\u2019i Jeremia tao an-davaka izany.",
"12": "Dia hoy i Ebeda-meleka Etiopianina tamin\u2019i Jeremia: \u201cAtaovy ao ambany helikao, azafady, ireny voro-damba sy tapa-damba ireny, dia ataovy eo ambaniny ny tady.\u201d Dia nataon\u2019i Jeremia izany.",
"13": "Ary nosintonin\u2019izy ireo tamin\u2019ny tady i Jeremia ka nampiakariny avy tao amin\u2019ilay lavaka fanangonan-drano. Dia nijanona tao amin\u2019ny Tokotanin\u2019ny Mpiambina i Jeremia.",
"14": "Naniraka olona haka an\u2019i Jeremia mpaminany i Zedekia Mpanjaka mba ho any aminy, eo amin\u2019ny fidirana fahatelo, izay ao an-tranon\u2019i Jehovah. Dia hoy ny mpanjaka tamin\u2019i Jeremia: \u201cMisy zavatra tiako hanontaniana anao, ka aza misy afenina amiko.\u201d",
"15": "Ary hoy i Jeremia tamin\u2019i Zedekia: \u201cRaha mamaly ny fanontanianao aho, dia azo antoka hoe hovonoinao ho faty. Ary raha manoro hevitra anao aho, dia tsy hihaino ianao.\u201d",
"16": "Koa nianiana mangingina tamin\u2019i Jeremia i Zedekia Mpanjaka hoe: \u201cRaha mbola velona koa i Jehovah, izay nanome aina antsika, dia tsy hamono anao ho faty aho ary tsy hanolotra anao eo an-tanan\u2019ireo mitady hamono anao.\u201d",
"17": "Dia hoy i Jeremia tamin\u2019i Zedekia: \u201cIzao no lazain\u2019i Jehovah Andriamanitry ny tafika, Andriamanitry ny Israely: \u2018Raha mitolo-batana any amin\u2019ireo andrianan\u2019ny mpanjakan\u2019i Babylona ianao, dia ho avotra ny ainao sady tsy hodorana ity tan\u00e0na ity, ary tsy ho faty ianao sy ny ankohonanao.",
"18": "Fa raha tsy mitolo-batana any amin\u2019ireo andrianan\u2019ny mpanjakan\u2019i Babylona kosa ianao, dia ho resin\u2019ny Kaldeanina ity tan\u00e0na ity ka hodorany, ary tsy ho afa-mandositra azy ireo ianao.\u2019\u201d",
"19": "Dia hoy i Zedekia Mpanjaka tamin\u2019i Jeremia: \u201cMatahotra an\u2019ireo Jiosy efa nitolo-batana tany amin\u2019ny Kaldeanina aho. Mety hampijalijaly ahy mantsy ry zareo, raha hatolotra eo an-tanany aho.\u201d",
"20": "Fa hoy i Jeremia: \u201cTsy hatolotra eo an-tanan-dry zareo ianao! Mba ankatoavy re ny tenin\u2019i Jehovah lazaiko aminao\u00a0e! Dia hahita soa ianao ary tsy ho faty.",
"21": "Fa raha tsy mety mitolo-batana kosa ianao, dia izao no nampahafantarin\u2019i Jehovah ahy hoe hitranga:",
"22": "Hoentina hivoaka eny amin\u2019ireo andrianan\u2019ny mpanjakan\u2019i Babylona ny vehivavy rehetra sisa tavela ao an-tranon\u2019ny mpanjakan\u2019ny Joda, ka hilaza hoe: \u2018Nofitahin\u2019ireo lehilahy natokisanao ianao ka resiny. Nalentiny tao anaty fotaka ny tongotrao. Izao izy ireo nitsoaka anao, dia nandao anao.\u2019",
"23": "Hoentina eny amin\u2019ny Kaldeanina ny vadinao sy ny zanakao lahy rehetra, ary tsy ho afa-mandositra azy ireo ianao. Hosamborin\u2019ny mpanjakan\u2019i Babylona ianao, ary noho ianao dia hodorana ity tan\u00e0na ity.\u201d",
"24": "Hoy \u00e0ry i Zedekia tamin\u2019i Jeremia: \u201cAza atao misy mahafantatra izany zavatra izany mba tsy ho faty ianao.",
"25": "Fa raha fantatry ny andriana hoe niresaka taminao aho ka tonga hiteny aminao ry zareo hoe: \u2018Lazao aminay, azafady, izay noresahinao tamin\u2019ny mpanjaka. Aza misy afenina aminay izany, dia tsy hovonoinay ho faty ianao. Inona no noresahin\u2019ny mpanjaka taminao?\u2019,",
"26": "dia izao avaly an-dry zareo: \u2018Niangavy ny mpanjaka aho hoe aza averina any an-tranon\u2019i Jonatana sao ho faty any.\u2019\u201d",
"27": "Tonga tao amin\u2019i Jeremia tokoa ny andriana rehetra, tat\u1ef3 aoriana, ka nanontany azy. Dia noteneniny tamin\u2019izy ireo izay rehetra nasain\u2019ny mpanjaka nolazainy. Koa tsy niteny intsony izy ireo, satria tsy nisy nandre an\u2019ilay resaka nifanaovany tamin\u2019ny mpanjaka.",
"28": "Ary nijanona tao amin\u2019ny Tokotanin\u2019ny Mpiambina i Jeremia mandra-pahatongan\u2019ny andro nahazoan\u2019ny Kaldeanina an\u2019i Jerosalema. Mbola tao izy rehefa azon\u2019izy ireo i Jerosalema."
},
"39": {
"1": "Tamin\u2019ny volana fahafolo, tamin\u2019ny taona fahasivy nanjakan\u2019i Zedekia mpanjakan\u2019ny Joda, dia tonga nanao fahirano an\u2019i Jerosalema i Nebokadnezara mpanjakan\u2019i Babylona sy ny tafiny manontolo.",
"2": "Noloahan\u2019izy ireo ny mandan\u2019ilay tan\u00e0na, tamin\u2019ny andro fahasivin\u2019ny volana fahefatra, tamin\u2019ny taona faha-11 nanjakan\u2019i Zedekia.",
"3": "Dia niditra tao amin\u2019ilay tan\u00e0na daholo ny andrianan\u2019ny mpanjakan\u2019i Babylona ka nipetraka teo amin\u2019ny Vavahady Afovoany. Ireto avy izy ireo: I Nergala-sarezera Samgara, Nebo-sarsekima Rabsarisa, Nergala-sarezera Rabmagy, ary ny sisa rehetra tamin\u2019ireo andrianan\u2019ny mpanjakan\u2019i Babylona.",
"4": "Rehefa nahita azy ireo i Zedekia mpanjakan\u2019ny Joda sy ny miaramila rehetra, dia nandositra niala tao an-tan\u00e0na tamin\u2019ny andro alina. Tany amin\u2019ny zaridainan\u2019ny mpanjaka ny lalan\u2019izy ireo, teo amin\u2019ilay vavahady teo anelanelan\u2019ny manda roa sosona. Ary nandeha tamin\u2019ny lalana mankany Araba izy ireo.",
"5": "Nanenjika azy ireo anefa ny tafiky ny Kaldeanina, ka tratrany tao amin\u2019ilay lemaka karakaina any Jeriko i Zedekia. Dia nosamborin\u2019izy ireo izy ka nentiny niakatra tany amin\u2019i Nebokadnezara mpanjakan\u2019i Babylona tao Ribla, tany Hamata. Tany ilay mpanjaka no namoaka didim-pitsarana momba azy.",
"6": "Nasain\u2019ny mpanjakan\u2019i Babylona novonoina tao Ribla teo imason\u2019i Zedekia ireo zanany lahy. Nasain\u2019ny mpanjakan\u2019i Babylona novonoina koa ny olona ambony rehetra tao Joda.",
"7": "Dia nopotsiriny ny mason\u2019i Zedekia, ary nofatorany tamin\u2019ny gadra varahina izy mba hoentina any Babylona.",
"8": "Nodoran\u2019ny Kaldeanina avy eo ny tranon\u2019ny mpanjaka sy ny tranon\u2019ny vahoaka, ary narodany ny mandan\u2019i Jerosalema.",
"9": "Dia nentin\u2019i Nebozaradana, lehiben\u2019ny mpiambina, ny vahoaka sisa tao an-tan\u00e0na, sy ireo efa nitolo-batana tany aminy, ary izay olon-kafa sisa tavela, ka nataony sesitany tany Babylona.",
"10": "Fa navelan\u2019i Nebozaradana lehiben\u2019ny mpiambina hijanona tao Joda kosa ny sasany tamin\u2019ireo mahantra faraidiny, izay tsy nanana na inona na inona. Nomeny tanimboaloboka sy tany hovolena koa izy ireo, tamin\u2019izany andro izany.",
"11": "Ary nanome baiko momba an\u2019i Jeremia i Nebokadnezara mpanjakan\u2019i Babylona, ka hoy izy tamin\u2019i Nebozaradana lehiben\u2019ny mpiambina:",
"12": "\u201cAlaivo izy, dia karakarao. Aza manisy ratsy azy, fa ataovy izay angatahiny aminao.\u201d",
"13": "Koa nandefa iraka i Nebozaradana lehiben\u2019ny mpiambina, sy Nebosazbana Rabsarisa, sy Nergala-sarezera Rabmagy, ary ny manamboninahitra rehetran\u2019ny mpanjakan\u2019i Babylona,",
"14": "mba haka an\u2019i Jeremia tany amin\u2019ny Tokotanin\u2019ny Mpiambina. Dia natolony an\u2019i Gedalia zanak\u2019i Ahikama, zanak\u2019i Safana, izy mba hoentiny any an-tranony. Koa niara-nonina tamin\u2019ny vahoaka izy.",
"15": "Tamin\u2019i Jeremia mbola nogadraina tao amin\u2019ny Tokotanin\u2019ny Mpiambina, dia niteny taminy i Jehovah hoe:",
"16": "\u201cMandehana lazao amin\u2019i Ebeda-meleka Etiopianina hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, Andriamanitry ny Israely: \u201cHotanterahiko ny teniko momba an\u2019ity tan\u00e0na ity, dia ny hahatonga loza aminy fa tsy ny hanisy soa azy. Ary hahita maso an\u2019izany ianao amin\u2019izany andro izany.\u201d\u2019",
"17": "\u201c\u2018Hamonjy anao anefa aho amin\u2019izany andro izany\u2019, hoy i Jehovah, \u2018ary tsy hatolotra eo an-tanan\u2019ireo olona atahoranao ianao.\u2019",
"18": "\u201c\u2018Fa tsy maintsy hataoko afa-mandositra ianao, ka tsy ho fatin\u2019ny sabatra. Ary ny ainao no ho babonao, satria natoky ahy ianao\u2019, hoy i Jehovah.\u201d"
},
"40": {
"1": "Nampita ny teniny tamin\u2019i Jeremia i Jehovah, rehefa avy nanafaka azy avy tao Rama i Nebozaradana lehiben\u2019ny mpiambina. Nisy gadra\u00a0vy ny tanan\u2019i Jeremia tamin\u2019izy nentiny tao, ary anisan\u2019ireo babo nentina avy teto Jerosalema sy Joda izy, mba hatao sesitany any Babylona.",
"2": "Dia nalain\u2019ilay lehiben\u2019ny mpiambina i Jeremia, ka hoy izy taminy: \u201cEfa nilaza i Jehovah Andriamanitrao fa hahatonga an\u2019izao loza izao amin\u2019ity toerana ity.",
"3": "Dia notanterahin\u2019i Jehovah tokoa izay nolazainy. Nanota tamin\u2019i Jehovah mantsy ianareo ary tsy nankat\u00f2 ny teniny, ka izany no mahatonga anareo hiharan\u2019izao.",
"4": "Esoriko anefa izao ny gadra\u00a0vy amin\u2019ny tananao. Koa raha tianao ny hiaraka amiko ho any Babylona dia andao, fa hikarakara anao aho. Fa raha tsy te hiaraka amiko ho any Babylona kosa ianao, dia afaka mijanona. Jereo fa eo anoloanao ny tany manontolo, ka mandehana any amin\u2019izay rehetra tianao haleha.\u201d",
"5": "Raha mbola nisalasala teo i Jeremia hoe hiverina sa tsia, dia hoy i Nebozaradana: \u201cMiverena any amin\u2019i Gedalia zanak\u2019i Ahikama, zanak\u2019i Safana. Izy no notendren\u2019ny mpanjakan\u2019i Babylona hifehy an\u2019ireo tan\u00e0nan\u2019i Joda. Ary mijan\u00f2na miaraka aminy, miaraka amin\u2019ny vahoaka. Na mandehana any amin\u2019izay tianao haleha.\u201d Dia nanome azy anjara sakafo sy fanomezana ilay lehiben\u2019ny mpiambina, ary namela azy handeha.",
"6": "Koa nankany amin\u2019i Gedalia zanak\u2019i Ahikama tany Mizpa i Jeremia, ka nijanona niaraka taminy, teo amin\u2019ny vahoaka sisa tavela tao amin\u2019ilay tany.",
"7": "Tat\u1ef3 aoriana, dia henon\u2019ny lehiben\u2019ny tafika rehetra tany ambanivohitra sy ny miaramilany, fa notendren\u2019ny mpanjakan\u2019i Babylona hitondra an\u2019ilay tany i Gedalia zanak\u2019i Ahikama. Ren\u2019izy ireo koa hoe izy no notendreny hiandraikitra an\u2019ireo lehilahy sy vehivavy ary ankizy mahantra teo amin\u2019ny vahoaka, izay tsy natao sesitany tany Babylona.",
"8": "Nankany amin\u2019i Gedalia tany Mizpa \u00e0ry izy ireo. Ireto avy izany: I Ismaela zanak\u2019i Netania, Johanana sy Jonatana zanak\u2019i Karea, Seraia zanak\u2019i Tanometa, ireo zanak\u2019i Efay Netofatita, ary Jazania zanak\u2019ilay Makatita, niaraka tamin\u2019ny miaramilany avy.",
"9": "Dia nianiana tamin\u2019izy ireo sy ny miaramilany i Gedalia zanak\u2019i Ahikama, zanak\u2019i Safana hoe: \u201cAza matahotra hanompo ny Kaldeanina. Mipetraha eto amin\u2019ity tany ity ary manompoa ny mpanjakan\u2019i Babylona, dia hahita soa ianareo.",
"10": "Fa izaho hijanona eto Mizpa mba hisolo tena anareo eo anatrehan\u2019ny Kaldeanina izay ho avy eto amintsika. Fa ianareo kosa manang\u00f2na divay sy voankazo masaka fahavaratra ary menaka. Dia ataovy ao anatin\u2019ny fitaovana fitehirizanareo azy izany. Ary mipetraha ao amin\u2019ireo tan\u00e0na nalainareo ho anareo.\u201d",
"11": "Henon\u2019ny Jiosy rehetra tany Moaba, Amona, Edoma, ary tany amin\u2019ny tany hafa rehetra fa nisy olona navelan\u2019ny mpanjakan\u2019i Babylona hijanona tao Joda. Ren\u2019izy ireo koa fa nanendry an\u2019i Gedalia zanak\u2019i Ahikama, zanak\u2019i Safana izy hiandraikitra an\u2019ireo.",
"12": "Nanomboka niverina avy tany amin\u2019ny toerana rehetra nanaparitahana azy \u00e0ry ny Jiosy rehetra. Tonga tany Joda, tao amin\u2019i Gedalia tao Mizpa, izy ireo, ary nanangona divay sy voankazo be dia\u00a0be masaka fahavaratra.",
"13": "Nankany amin\u2019i Gedalia tany Mizpa i Johanana zanak\u2019i Karea sy ny lehiben\u2019ny tafika rehetra tany ambanivohitra.",
"14": "Dia hoy izy ireo taminy: \u201cTsy fantatrao angaha fa nirahin\u2019i Balisa mpanjakan\u2019ny Amonita i Ismaela zanak\u2019i Netania mba hamono anao ho faty?\u201d Tsy nino azy\u00a0ireo anefa i Gedalia zanak\u2019i Ahikama.",
"15": "Dia niresaka mangingina tamin\u2019i Gedalia, tany Mizpa, i Johanana zanak\u2019i Karea hoe: \u201cAvelao aho handeha hamono an\u2019i Ismaela zanak\u2019i Netania, fa tsy hisy olona hahalala mihitsy. Fa maninona izy no havela hamono anao ho faty? Ary nahoana moa no hiparitaka ny vahoakan\u2019ny Joda rehetra efa nangonina eto aminao, ary ho ripaka ireo sisa amin\u2019ny Joda?\u201d",
"16": "Hoy anefa i Gedalia zanak\u2019i Ahikama tamin\u2019i Johanana zanak\u2019i Karea: \u201cAza manao an\u2019izany, fa tsy marina izany zavatra lazainao momba an\u2019i Ismaela izany.\u201d"
},
"41": {
"1": "Tamin\u2019ny volana fahafito dia tonga tany Mizpa, tany amin\u2019i Gedalia zanak\u2019i Ahikama, i Ismaela zanak\u2019i Netania zanak\u2019i Elisama, ary nisy folo\u00a0lahy niaraka taminy. Taranaka mpanjaka i Ismaela sady anisan\u2019ny manamboninahitry ny mpanjaka. Raha mbola teo am-pisakafoana tany Mizpa izy ireo,",
"2": "dia nitsangana i Ismaela zanak\u2019i Netania sy ireo folo\u00a0lahy niaraka taminy, ka nasian\u2019izy ireo tamin\u2019ny sabatra i Gedalia zanak\u2019i Ahikama, zanak\u2019i Safana. Koa novonoin\u2019i Ismaela ilay olona notendren\u2019ny mpanjakan\u2019i Babylona hitondra an\u2019ilay tany.",
"3": "Novonoiny daholo koa ireo Jiosy niaraka tamin\u2019i Gedalia tany Mizpa, sy ireo miaramila kaldeanina tany.",
"4": "Ny ampitson\u2019ny namonoana an\u2019i Gedalia, raha mbola tsy nisy nahalala mihitsy izany,",
"5": "dia nisy 80\u00a0lahy tonga avy any Sekema sy Silo ary Samaria. Efa nesorin\u2019izy ireo ny volombavany, norovitiny ny akanjony, ary nodidididiany ny vatany. Nivimbina fanatitra varimbazaha sy ditin-kazo manitra izy ireo mba hoentiny ao an-tranon\u2019i Jehovah.",
"6": "Koa nivoaka avy tao Mizpa i Ismaela zanak\u2019i Netania mba hitsena azy ireo, ka sady nitomany izy no nandeha. Rehefa nihaona tamin\u2019izy ireo izy, dia niteny hoe: \u201cAndao ho any amin\u2019i Gedalia zanak\u2019i Ahikama.\u201d",
"7": "Novonoin\u2019i Ismaela zanak\u2019i Netania sy ireo lehilahy niaraka taminy anefa izy ireo rehefa tonga tao an-tan\u00e0na. Dia natsipiny tao anaty lavaka fanangonan-drano ny fatin\u2019izy ireo.",
"8": "Nisy folo lahy tamin\u2019izy ireo anefa niteny tamin\u2019i Ismaela hoe: \u201cAza vonoina izahay, fa izahay manana tahirina varimbazaha sy vary orza sy menaka ary tantely nafeninay any an-tsaha.\u201d Koa tsy novonoiny niaraka tamin\u2019ireo rahalahiny izy ireo.",
"9": "Dia natsipin\u2019i Ismaela tao amin\u2019ny lavaka fanangonan-drano iray lehibe ny fatin\u2019ireo lehilahy rehetra novonoiny. I Asa Mpanjaka no nanao azy io tamin\u2019izy norahonan\u2019i Basa mpanjakan\u2019ny Israely. Io ilay lavaka nofenoin\u2019i Ismaela, zanak\u2019i Netania, faty.",
"10": "Dia nentin\u2019i Ismaela ho babo ny vahoaka sisa rehetra tany Mizpa, anisan\u2019izany ireo zanakavavin\u2019ny mpanjaka sy ny olona rehetra tavela tany Mizpa, izay nankinin\u2019i Nebozaradana lehiben\u2019ny mpiambina tamin\u2019i Gedalia zanak\u2019i Ahikama. Nentin\u2019i Ismaela zanak\u2019i Netania ho babo izy ireo, ary nentiny nankany amin\u2019ny Amonita.",
"11": "Henon\u2019i Johanana zanak\u2019i Karea sy ny lehiben\u2019ny tafika rehetra niaraka taminy ny ratsy rehetra nataon\u2019i Ismaela zanak\u2019i Netania.",
"12": "Nangonin\u2019izy ireo \u00e0ry ny miaramila rehetra, dia niainga izy ireo mba hiady tamin\u2019i Ismaela zanak\u2019i Netania. Ary nahita azy teo akaikin\u2019ny rano\u00a0be tao Gibeona izy ireo.",
"13": "Faly ny olona rehetra nentin\u2019i Ismaela, rehefa nahita an\u2019i Johanana zanak\u2019i Karea sy ny lehiben\u2019ny tafika rehetra niaraka taminy.",
"14": "Dia niverin-dalana ny olona rehetra nalain\u2019i Ismaela ho babo avy tany Mizpa, ka niaraka tamin\u2019i Johanana zanak\u2019i Karea.",
"15": "Fa i Ismaela zanak\u2019i Netania sy ny lehilahy valo niaraka taminy kosa tafatsoaka an\u2019i Johanana, ka nankany amin\u2019ny Amonita.",
"16": "Nalain\u2019i Johanana zanak\u2019i Karea sy ny lehiben\u2019ny tafika rehetra niaraka taminy, ny vahoaka sisa rehetra avy tany Mizpa, izay nafahany avy teo an-tanan\u2019i Ismaela zanak\u2019i Netania, taorian\u2019ny namonoan\u2019i Ismaela an\u2019i Gedalia zanak\u2019i Ahikama. Nentiny niverina niaraka tamin\u2019izy ireo avy tany Gibeona, na lehilahy, na miaramila, na vehivavy, na ankizy, na tandapa.",
"17": "Dia nandeha izy ireo ka nijanona teo amin\u2019ny toeram-pilasian\u2019i Kimama, teo akaikin\u2019i Betlehema. Nieritreritra ny ho any Ejipta izy ireo,",
"18": "noho ny amin\u2019ny Kaldeanina. Natahotra an\u2019ireo Kaldeanina mantsy izy ireo, satria novonoin\u2019i Ismaela zanak\u2019i Netania i Gedalia zanak\u2019i Ahikama, ilay notendren\u2019ny mpanjakan\u2019i Babylona hitondra an\u2019ilay tany."
},
"42": {
"1": "Dia nanatona an\u2019i Jeremia ny lehiben\u2019ny tafika rehetra, sy Johanana zanak\u2019i Karea, sy Jazania zanak\u2019i Hosaia, ary ny vahoaka manontolo, hatramin\u2019ny kely indrindra ka hatramin\u2019ny lehibe indrindra.",
"2": "Hoy izy ireo tamin\u2019i Jeremia mpaminany: \u201cMba henoy re ny fitalahoanay\u00a0e, ka mivavaha amin\u2019i Jehovah Andriamanitrao ho anay rehetra tavela eto! Be dia\u00a0be mantsy izahay taloha nefa ireo sisa, araka izao hitanao izao.",
"3": "I Jehovah Andriamanitrao anie hilaza aminay ny lalana tokony halehanay sy izay tokony hataonay!\u201d",
"4": "Dia namaly azy ireo i Jeremia mpaminany hoe: \u201cEny \u00e0ry fa efa re izay! Hivavaka amin\u2019i Jehovah Andriamanitrareo aho araka izany fangatahanareo izany. Ary holazaiko aminareo daholo izay teny havalin\u2019i Jehovah anareo. Tsy hisy teny hafeniko aminareo, na iray aza.\u201d",
"5": "Hoy izy ireo tamin\u2019i Jeremia: \u201cI Jehovah anie no ho vavolombelona marina sy mendri-pitokisana hiampanga anay, raha tsy arahinay an-tsakany sy an-davany izay asain\u2019i Jehovah Andriamanitrao lazainao aminay!",
"6": "Hankatoavinay ny tenin\u2019i Jehovah Andriamanitray, ilay nasainay nanontanianao, na mety aminay ilay izy na tsia. Amin\u2019izay dia hahita soa izahay satria mankat\u00f2 ny tenin\u2019i Jehovah Andriamanitray.\u201d",
"7": "Dia nampita ny teniny tamin\u2019i Jeremia i Jehovah rehefa afaka folo andro.",
"8": "Koa nantsoin\u2019i Jeremia i Johanana zanak\u2019i Karea, sy ny lehiben\u2019ny tafika rehetra niaraka taminy, ary ny vahoaka manontolo, hatramin\u2019ny kely indrindra ka hatramin\u2019ny lehibe indrindra.",
"9": "Dia hoy izy tamin\u2019izy ireo: \u201cNaniraka ahy ianareo mba hitalaho amin\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely ho anareo, ka izao no lazainy:",
"10": "\u2018Raha mijanona eto amin\u2019ity tany ity tokoa ianareo, dia haoriko fa tsy horavako, ary hamboleko fa tsy hongotako. Fa hanenina aho noho ny loza namelezako anareo.",
"11": "Aza atahorana ny mpanjakan\u2019i Babylona, izay atahoranareo.\u2019 \u201c\u2018Aza matahotra azy\u2019, hoy i Jehovah, \u2018fa ho eo foana aho, mba hamonjy sy hanafaka anareo tsy ho azon\u2019ny tanany.",
"12": "Hamindra fo aminareo aho, dia hamindra fo aminareo izy ka hampody anareo eto amin\u2019ny taninareo.",
"13": "\u201c\u2018Fa raha hoy kosa ianareo: \u201cTsia! Tsy hijanona eto amin\u2019ity tany ity izahay!\u201d, ka tsy mankat\u00f2 ny tenin\u2019i Jehovah Andriamanitrareo ianareo,",
"14": "fa milaza hoe: \u201cTsia! Aleonay ihany mankany Ejipta, fa tsy hahita ady izahay rehefa any sady tsy handre feon\u2019anjombona, ary tsy ho ory sakafo. Any izahay no hipetraka.\u201d",
"15": "Dia henoy ny tenin\u2019i Jehovah, ry\u00a0sisa tavela amin\u2019ny Joda! Izao no lazain\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, Andriamanitry ny Israely: \u201cRaha tena tapa-kevitra ny ho any Ejipta ianareo ka mandeha mipetraka any,",
"16": "dia hahatratra anareo any Ejipta ny sabatra izay atahoranareo, ary hanaraka anareo any ny mosary izay mampanahy anareo, ka any ianareo no ho faty.",
"17": "Ho fatin\u2019ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izay rehetra tapa-kevitra ny ho any Ejipta mba hipetraka any. Tsy hisy hiangana izy ireo ary tsy hisy ho afa-mandositra an\u2019ilay loza hamelezako azy.\u201d\u2019",
"18": "\u201cFa hoy i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, Andriamanitry ny Israely: \u2018Toy ny nanamparako ny hatezerako sy ny fahavinirako tamin\u2019ny mponin\u2019i Jerosalema, no hanamparako ny hatezerako aminareo raha mankany Ejipta ianareo. Hanozona anareo ny olona ary hihorohoro mahita an\u2019izay hanjo anareo. Hanala baraka sy handatsa anareo koa izy ireo. Ary tsy hahita an\u2019ity toerana ity intsony mihitsy ianareo.\u2019",
"19": "\u201cEfa niteny anareo i Jehovah, ry\u00a0sisa amin\u2019ny Joda\u00a0\u00f4! Aza mankany Ejipta. Fantaro tsara fa efa nampitandrina anareo aho androany",
"20": "hoe hafoinareo ny ainareo noho ny fahadisoanareo. Naniraka ahy ho any amin\u2019i Jehovah Andriamanitrareo mantsy ianareo, ka nilaza hoe: \u2018Mivavaha amin\u2019i Jehovah Andriamanitray ho anay. Ary teneno aminay izay rehetra lazain\u2019i Jehovah Andriamanitray, dia hataonay.\u2019",
"21": "Dia izany no noteneniko taminareo androany, nefa tsy hankat\u00f2 ny tenin\u2019i Jehovah Andriamanitrareo ianareo na hanao izay nasainy nolazaiko taminareo.",
"22": "Koa fantaro tsara fa ho fatin\u2019ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana any amin\u2019ilay toerana tianareo handehanana sy hipetrahana ianareo.\u201d"
},
"43": {
"1": "Rehefa voalazan\u2019i Jeremia tamin\u2019ny vahoaka manontolo ireo teny rehetra nolazain\u2019i Jehovah Andriamaniny ireo, izany hoe izay rehetra nasain\u2019i Jehovah Andriamaniny nolazainy tamin\u2019izy ireo,",
"2": "dia niteny tamin\u2019i Jeremia i Azaria zanak\u2019i Hosaia sy Johanana zanak\u2019i Karea ary ny lehilahy rehetra nanambony tena hoe: \u201cMandainga ianao! Tsy naniraka anao hilaza aminay i Jehovah Andriamanitray hoe: \u2018Aza mandeha mipetraka any Ejipta.\u2019",
"3": "Fa i Baroka zanak\u2019i Neria no nampirisika anao hiteny an\u2019izany, amin\u2019izay hatolotra eo an-tanan\u2019ny Kaldeanina izahay, dia ho faty na hatao sesitany any Babylona.\u201d",
"4": "Koa tsy nankatoavin\u2019i Johanana zanak\u2019i Karea sy ny lehiben\u2019 ny tafika rehetra ary ny vahoaka manontolo ilay tenin\u2019i Jehovah hoe mijan\u00f2na ao Joda.",
"5": "Fa nentin\u2019i Johanana zanak\u2019i Karea sy ny lehiben\u2019ny tafika rehetra niaraka tamin\u2019izy ireo kosa ny sisa rehetra amin\u2019ny Joda, izany hoe ireo niverina avy any amin\u2019ny firenena rehetra nanaparitahana azy mba hipetraka tao Joda.",
"6": "Nentin\u2019izy ireo ny lehilahy, ny vehivavy, ny ankizy, ireo zanakavavin\u2019ny mpanjaka, ary ny olona rehetra navelan\u2019i Nebozaradana lehiben\u2019ny mpiambina hijanona niaraka tamin\u2019i Gedalia zanak\u2019i Ahikama, zanak\u2019i Safana. Nentin\u2019izy ireo koa i Jeremia mpaminany sy Baroka zanak\u2019i Neria.",
"7": "Tsy nankatoavin\u2019izy ireo ny tenin\u2019i Jehovah, ka nankany Ejipta izy ireo ary tonga hatrany Tapanesa mihitsy.",
"8": "Dia niteny tamin\u2019i Jeremia tany Tapanesa i Jehovah hoe:",
"9": "\u201cMak\u00e0 vato lehibe vitsivitsy dia afeno ao anaty rihitra, eo amin\u2019ilay tokotany biriky, eo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranon\u2019i Farao any Tapanesa. Ataovy eo imason\u2019ny lehilahy jiosy izany.",
"10": "Ary lazao amin\u2019izy ireo hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, Andriamanitry ny Israely: \u201cHampiantso an\u2019i Nebokadnezara mpanjakan\u2019i Babylona sady mpanompoko aho. Hapetrako eo ambonin\u2019ireo vato nafeniko ireo ny seza fiandrianany, ary hovelariny eo ambonin\u2019ireo ny tranolainy.",
"11": "Dia ho avy hamely an\u2019i Ejipta izy, ka ho tratran\u2019ny loza mahafaty izay natao ho tratran\u2019ny loza mahafaty. Ho lasa babo izay natao ho lasa babo. Ary ho fatin\u2019ny sabatra izay natao ho fatin\u2019ny sabatra.",
"12": "Hodorako ny tranon\u2019ireo andriamanitr\u2019i Ejipta. Dia hodorany ireny ary hoentiny ho babo izy ireo. Hitafy an\u2019i Ejipta toy ny fitafin\u2019ny mpiandry ondry ny lambany izy, ka hilamina tsara ny fialany any.",
"13": "Dia hopotipotehiny ireo andry ao Beti-semesy any Ejipta, ary hodorany amin\u2019ny afo ny tranon\u2019ireo andriamanitr\u2019i Ejipta.\u201d\u2019\u201d"
},
"44": {
"1": "Izao no hafatra nampitaina tamin\u2019i Jeremia, ho an\u2019ny Jiosy rehetra nipetraka tat\u1ef3 Ejipta, dia ireo nipetraka tao Migdola, Tapanesa, Nofa, ary Patrosa:",
"2": "\u201cIzao no lazain\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, Andriamanitry ny Israely: \u2018Efa hitanareo ny loza rehetra nataoko tamin\u2019i Jerosalema sy ny tan\u00e0na rehetra any Joda. Rava tanteraka izy ireo ankehitriny, sady tsy misy mponina.",
"3": "Nanao zava-dratsy mantsy izy ireo mba hampahatezitra ahy. Nandeha nanao sorona izy ireo ary nanompo andriamani-kafa tsy fantany, sady tsy fantatrareo no tsy fantatry ny razambenareo.",
"4": "Nirahiko tany aminareo foana ny mpaminany mpanompoko rehetra. Imbetsaka aho no naniraka azy ireny tany aminareo mba hiteny hoe: \u201cAza dia manao an\u2019izao zava-maharikoriko halako izao re ianareo\u00a0e!\u201d",
"5": "Tsy nihaino anefa izy ireo na nanongilan-tsofina ka tsy niala tamin\u2019ny ratsy fanaony, fa mbola nanao sorona ho an\u2019ny andriamani-kafa ihany.",
"6": "Koa nanampatra ny hatezerako sy ny fahavinirako aho, ka nandoro an\u2019ireo tan\u00e0nan\u2019i Joda sy ny lalan\u2019i Jerosalema izany. Dia rava tanteraka sy ngazana ireo, araka ny hita amin\u2019izao.\u2019",
"7": "\u201cAry izao no lazain\u2019i Jehovah Andriamanitry ny tafika, Andriamanitry ny Israely: \u2018Nahoana ianareo no mitady loza, ka ho ringana daholo ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy sy ny zaza ao Joda, dia tsy hisy hiangana ianareo?",
"8": "Fa maninona ianareo no mampahatezitra ahy amin\u2019ny zavatra ataonareo, ka manao sorona ho an\u2019ireo andriamani-kafa at\u1ef3 Ejipta, izay toerana nalehanareo mba honenana? Ho ringana ianareo, ary ny anaranareo no hampiasain\u2019ny firenena rehetra eny ambonin\u2019ny tany rehefa manozona izy ireo.",
"9": "Hadinonareo angaha ny ratsy nataon\u2019ny razambenareo sy nataon\u2019ireo mpanjakan\u2019ny Joda sy ny vadiny, ary ny ratsy nataonareo sy ny vadinareo, tao Joda sy teny amin\u2019ny lalan\u2019i Jerosalema?",
"10": "Mbola tsy manetry tena ihany izy ireo hatramin\u2019izao na matahotra. Mbola tsy arahin\u2019izy ireo koa ny lal\u00e0na sy fitsipika nomeko anareo sy ny razambenareo.\u2019",
"11": "\u201cKoa izao no lazain\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, Andriamanitry ny Israely: \u2018Tapa-kevitra ny hahatonga loza aminareo aho, mba handringanana ny Joda rehetra.",
"12": "Ary halaiko ireo sisa amin\u2019ny Joda, dia ireo tapa-kevitra ny ho at\u1ef3 Ejipta mba hipetraka at\u1ef3, ka ho ripaka at\u1ef3 Ejipta izy rehetra. Ho fatin\u2019ny sabatra sy ho ripaky ny mosary izy ireo, hatramin\u2019ny kely indrindra ka hatramin\u2019ny lehibe indrindra. Ho fatin\u2019ny sabatra sy ny mosary tokoa izy ireo. Dia hanozona azy ireo ny olona ary hihorohoro mahita an\u2019izay hanjo azy. Hanala baraka sy handatsa azy ireo koa izy ireny.",
"13": "Hosaziko ireo mipetraka at\u1ef3 Ejipta, toy ny nanasaziako an\u2019i Jerosalema ka namelezako azy tamin\u2019ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana.",
"14": "Dia tsy hisy ho afa-mandositra na hisy hiangana ny sisa amin\u2019ny Joda, izay nandeha nipetraka at\u1ef3 Ejipta. Te hiverina mafy hipetraka any Joda izy ireo, nefa tsy ho tafaverina any, afa-tsy olona vitsy.\u2019\u201d",
"15": "Namaly an\u2019i Jeremia ny lehilahy rehetra izay nahalala fa nanao sorona ho an\u2019ny andriamani-kafa ny vadiny, sy ny vehivavy rehetra nitsangana teo, izay tena be dia\u00a0be, ary ny vahoaka manontolo nipetraka tat\u1ef3 Ejipta, tao Patrosa. Hoy izy ireo taminy:",
"16": "\u201cTsy hihaino ny teny nolazainao taminay izahay, na dia nolazainao tamin\u2019ny anaran\u2019i Jehovah aza izany.",
"17": "Izay teny rehetra efa nolazainay ihany no hotanterahinay: Hanao sorona ho an\u2019ny Mpanjakavavin\u2019ny Lanitra izahay, ary handraraka fanatitra zava-pisotro ho azy, hoatran\u2019ny efa nataonay sy nataon\u2019ny razambenay, sy ny mpanjakanay, ary ny andriananay tao amin\u2019ireo tan\u00e0nan\u2019i Joda sy teny amin\u2019ny lalan\u2019i Jerosalema. Voky hanina sy niadana izahay tamin\u2019izany, ary tsy nisy loza nanjo anay mihitsy.",
"18": "Fa hatramin\u2019ny tsy nanaovanay sorona ho an\u2019ny Mpanjakavavin\u2019ny Lanitra sy tsy nandrarahanay fanatitra zava-pisotro ho azy intsony, dia tsy manana na inona na inona izahay sady ripaky ny sabatra sy ny mosary.\u201d",
"19": "Hoy koa ireo vehivavy: \u201cAngaha moa izahay tsy efa nangataka alalana tamin\u2019ny vadinay, rehefa nanao sorona ho an\u2019ny Mpanjakavavin\u2019ny Lanitra, sy nandraraka fanatitra zava-pisotro ho azy? Nangataka alalana izahay vao nanao mofo mitovy bika amin\u2019ilay andriamanibavy mba hatao fanatitra, sy nandraraka fanatitra zava-pisotro ho azy.\u201d",
"20": "Dia hoy i Jeremia tamin\u2019ny vahoaka manontolo, izany hoe ireo lehilahy sy ny vadiny\u00a0avy ary ny olona rehetra niresaka taminy:",
"21": "\u201cTsaroan\u2019i Jehovah sady tsy afaka ao an-tsainy ny sorona nataonareo sy nataon\u2019ny razambenareo, sy ny mpanjakanareo, sy ny andriananareo, ary ny vahoaka tao amin\u2019ireo tan\u00e0nan\u2019i Joda sy teny amin\u2019ny lalan\u2019i Jerosalema!",
"22": "Koa tsy zakan\u2019i Jehovah intsony tamin\u2019ny farany ireo zavatra ratsy sy maharikoriko fanaonareo. Dia rava ny taninareo sady tsy misy mponina intsony, ka nahatonga ny olona hihorohoro sy hampiasa ny anarany rehefa manozona, toy ny amin\u2019izao andro izao.",
"23": "Tonga aminareo izao loza izao ankehitriny, satria nanao an\u2019ireny sorona ireny ianareo ary nanota tamin\u2019i Jehovah. Tsy nankat\u00f2 ny tenin\u2019i Jehovah ianareo, sady tsy nanaraka ny lal\u00e0ny sy ny fitsipiny ary ny fampahatsiahivany.\u201d",
"24": "Hoy ihany i Jeremia tamin\u2019ny vahoaka manontolo sy ny vehivavy rehetra: \u201cHenoy ny tenin\u2019i Jehovah, ry\u00a0Joda rehetra at\u1ef3 Ejipta!",
"25": "Izao no lazain\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, Andriamanitry ny Israely: \u2018Notanterahinareo sy ny vadinareo izay nolazainareo. Niteny mantsy ianareo hoe: \u201cTsy maintsy hefainay ny voady nataonay, dia ny hanao sorona ho an\u2019ny Mpanjakavavin\u2019ny Lanitra sy ny handraraka fanatitra zava-pisotro ho azy.\u201d Hanefa ny voadinareo tokoa ianareo vehivavy, ary hanatanteraka ny voadinareo.\u2019",
"26": "\u201cKoa henoy ny tenin\u2019i Jehovah, ry\u00a0Joda rehetra mipetraka at\u1ef3 Ejipta: \u2018\u201cMianiana amin\u2019ny anarako be\u00a0voninahitra aho\u201d, hoy i Jehovah, \u201cfa tsy hisy olona avy any Joda hianiana amin\u2019ny anarako intsony eran\u2019i Ejipta, ka hilaza hoe: \u2018Raha mbola velona koa i Jehovah Tompo Fara Tampony!\u2019",
"27": "Manara-maso azy ireo aho mba hahatonga loza aminy fa tsy soa. Ho ripaky ny sabatra sy ny mosary ny olona rehetra avy any Joda at\u1ef3 Ejipta, mandra-pahafongany.",
"28": "Vitsy kely sisa no tsy ho ripaky ny sabatra sy ho tafaverina any Joda. Dia ho fantatry ny sisa rehetra amin\u2019ny Joda, izay tonga nipetraka at\u1ef3 Ejipta, hoe ny tenin\u2019iza no marina: Ny teniko sa ny tenin-dry\u00a0zareo!\u201d\u2019\u201d",
"29": "\u201c\u2018Homeko famantarana ianareo\u2019, hoy i Jehovah, \u2018mba hahalalanareo fa hosaziko eto amin\u2019ity toerana ity ianareo. Ho fantatrareo amin\u2019izay fa tsy maintsy ho tanteraka ny teniko hoe hahita loza ianareo.",
"30": "Izao no lazain\u2019i Jehovah: \u201cHatolotro eo an-tanan\u2019ny fahavalony sy ireo mitady hamono azy i Farao Hofra, mpanjakan\u2019i Ejipta, tahaka ny nanolorako an\u2019i Zedekia mpanjakan\u2019ny Joda teo an-tanan\u2019i Nebokadnezara mpanjakan\u2019i Babylona, izay fahavalony sady nitady hamono azy.\u201d\u2019\u201d"
},
"45": {
"1": "Izao no teny nolazain\u2019i Jeremia mpaminany tamin\u2019i Baroka zanak\u2019i Neria, tamin\u2019izy nanoratra tao anaty boky ny teny notononin\u2019i Jeremia, tamin\u2019ny taona fahefatra nanjakan\u2019i Joiakima zanak\u2019i Josia, mpanjakan\u2019ny Joda:",
"2": "\u201cIzao no lazain\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely momba anao, ry\u00a0Baroka:",
"3": "\u2018Niteny ianao hoe: \u201cIdiran-doza aho ity fa nampian\u2019i Jehovah alahelo ny fijaliako! Reraky ny mitaraina aho sady tsy mba mety milamin-tsaina.\u201d\u2019",
"4": "\u201cKoa lazao amin\u2019i Baroka hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah: \u201cHoravako izay efa naoriko, ary hongotako izay efa namboleko, dia ilay tany manontolo.",
"5": "Ianao anefa mitady zavatra lehibe ho anao. Aza mitady an\u2019izany intsony.\u201d\u2019 \u201c\u2018Fa hahatonga loza amin\u2019ny olona rehetra aho\u2019, hoy i Jehovah, \u2018nefa homeko ho babonao kosa ny ainao, na aiza na aiza halehanao.\u2019\u201d"
},
"46": {
"1": "Izao no tenin\u2019i Jehovah tamin\u2019i Jeremia mpaminany momba an\u2019ireo firenena:",
"2": "Momba an\u2019i Ejipta. Izao no voalaza momba ny tafik\u2019i Farao Neko mpanjakan\u2019i Ejipta izay resin\u2019i Nebokadnezara mpanjakan\u2019i Babylona tany Karkemisy, teo akaikin\u2019ny Reniranon\u2019i Eofrata, tamin\u2019ny taona fahefatra nanjakan\u2019i Joiakima zanak\u2019i Josia, mpanjakan\u2019ny Joda:",
"3": "\u201cOmano ny ampinga kelinareo sy ny ampinga lehibe, Ary mandehana miady.",
"4": "Asio lasely ny soavaly ka itaingeno, ry\u00a0mpitaingin-tsoavaly! Mak\u00e0 toerana, ary anaovy ny fiarovan-dohanareo. Ataovy mangirana ny lefona, ary anaovy ny akanjonareo mifono\u00a0vy.",
"5": "\u2018Maninona izy ireo no hitako mihorohoro hoatr\u2019izao? Mitsoaka izy ireo fa resy ny miaramilany. Mikoropaka mandositra izy ireo ka tsy miherika akory ny miaramilany. Manjaka hatraiza hatraiza ny horohoro\u2019, hoy i Jehovah.",
"6": "\u2018Tsy afaka mandositra ny haingam-pandeha, ary tsy afaka mitsoaka ny miaramila. Any avaratra, eo amoron\u2019ny Reniranon\u2019i Eofrata, No tafintohina sy lavo izy ireo.\u2019",
"7": "Iza iny miakatra toy ny Reniranon\u2019i Neily iny, Hoatran\u2019ny renirano tondraka\u00a0be?",
"8": "Miakatra toy ny Reniranon\u2019i Neily i Ejipta, Toy ny renirano tondraka\u00a0be. Hoy izy: \u2018Hiakatra aho ka hanafotra ny tany. Horavako ny tan\u00e0na ary haringako ny mponina ao.\u2019",
"9": "Miakara, ry\u00a0soavaly! Aoka ianareo hiriotra mafy toy ny adala, ry\u00a0kalesy! Aoka handroso ny miaramila, Dia i Kosy sy Pota, izay mitana ampinga, Ary ny Lodima, izay mitana sy manomana tsip\u00ecka.",
"10": "\u201cAn\u2019ilay Tompo Fara Tampony, dia i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, izany andro izany, ho andro famaliana mba hamaliany an\u2019ireo fahavalony. Hihinana sy ho voky ary hisotro ny ran\u2019izy ireo ny sabatra, ka ho afa-ketaheta. Fa misy sorona ataon\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika sady Tompo Fara Tampony ao amin\u2019ilay tany any avaratra, eo akaikin\u2019ny Reniranon\u2019i Eofrata.",
"11": "Miakara any Gileada mba haka balsama, Ry Ejipta zanakavavy virjiny\u00a0\u00f4! Very maina ny nampiasanao karazana fanafody be dia\u00a0be, Fa tsy ho sitrana mihitsy ianao.",
"12": "Efa ren\u2019ireo firenena ny fahafaham-barakanao, Ary manenika an\u2019ilay tany ny fitarainanao. Fa mifamingana ireo miaramila, Ka miara-mianjera.\u201d",
"13": "Izao no tenin\u2019i Jehovah tamin\u2019i Jeremia mpaminany momba ny hahatongavan\u2019i Nebokadnezara mpanjakan\u2019i Babylona mba hanafika an\u2019i Ejipta:",
"14": "\u201cLazao at\u1ef3 Ejipta izany, ary ambarao ao Migdola. Ambarao ao Nofa sy Tapanesa izany. Teneno hoe: \u2018Mak\u00e0 toerana dia miom\u00e0na, Fa hisy sabatra handripaka an\u2019ireo manodidina anao.",
"15": "Nahoana ireo lehilahy mahery teo aminao no lasan\u2019ny rano? Tsy nahatohitra izy ireo, Satria natosik\u2019i Jehovah.",
"16": "Be dia be no tafintohina ka mianjera. Mifampiresaka izy ireo hoe: \u201cMitsang\u00e0na! Andao hiverina any amin\u2019ny firenentsika sy any amin\u2019ny tanindrazantsika, Fa mamono olona be dia\u00a0be ny sabatra.\u201d\u2019",
"17": "Any izy ireo no milaza hoe: \u2018Resa-be fotsiny ny an\u2019i Farao mpanjakan\u2019i Ejipta! Tsy nahay nanararaotra fotoana izy.\u2019",
"18": "\u2018Raha mbola velona koa aho\u2019, hoy ilay Mpanjaka, izay manana anarana hoe Jehovah Tompon\u2019ny tafika, \u2018Dia hiditra at\u1ef3 izy, ka ho toa an\u2019i Tabara, izay miavaka amin\u2019ireo tendrombohitra Sy ho toa an\u2019i Karmela eo amoron\u2019ny ranomasina.",
"19": "Omano ny entana hoentinao any an-tsesitany, Ry zanakavavy mipetraka eto Ejipta\u00a0\u00f4! Fa hihorohoro ny olona rehefa mahita an\u2019izay hanjo an\u2019i Nofa. Hodorana izy ka tsy hisy mponina.",
"20": "Toy ny ombivavy kely tsara tarehy i Ejipta, Nefa hisy fihitra avy any avaratra ho avy hanaikitra azy.",
"21": "Na ny mpikarama an\u2019adiny aza toy ny zanak\u2019omby mifahy, Nefa miverina koa izy ireo ary mandositra daholo. Tsy nahatohitra izy ireo, Fa tonga ny andro hahitany loza, Dia ny fotoana hanasaziana azy.\u2019",
"22": "\u2018Toy ny feona bibilava mikisakisaka ny feony, Satria manenjika mafy azy izy ireo, ary mitondra famaky Hoatran\u2019ny lehilahy mikapa hazo.",
"23": "Dia hokapain\u2019izy ireo ny alan\u2019i Ejipta\u2019, hoy i Jehovah, \u2018na dia hoatran\u2019ny hoe sarotra hitsofohana aza. Fa be lavitra noho ny valala izy ireo ka tsy hita isa.",
"24": "Ho menatra i Ejipta zanakavavy. Hataoko resin\u2019ilay vahoaka any avaratra izy.\u2019",
"25": "\u201cIzao no lazain\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, Andriamanitry ny Israely: \u2018Hosaziko i Amona ao No, sy Farao, sy Ejipta, sy ny andriamaniny, ary ny mpanjakany, izany hoe i Farao sy izay rehetra matoky azy.\u2019",
"26": "\u201c\u2018Ary hatolotro eo an-tanan\u2019izay mitady hamono azy izy ireo, dia eo an-tanan\u2019i Nebokadnezara mpanjakan\u2019i Babylona sy ny mpanompony. Hisy mponina toy ny taloha anefa i Ejipta aorian\u2019izay\u2019, hoy i Jehovah.",
"27": "\u2018Fa aza matahotra kosa ianao, ry\u00a0Jakoba mpanompoko, Ary aza mihorohoro, ry Israely\u00a0\u00f4! Fa hovonjeko avy any an-tany lavitra ianao, Ary ny taranakao hovonjeko avy any amin\u2019ny tany nahababo azy. Dia hiverina i Jakoba, ka hilamina sy tsy hisy hanakorontana. Tsy hisy hampatahotra azy ireo.",
"28": "Koa aza matahotra, ry\u00a0Jakoba mpanompoko\u2019, hoy i Jehovah, \u2018fa ho eo foana aho. Haripako ny firenena rehetra nanaparitahako anao, Fa ianao tsy mba haripako. Hanariko araka ny antonony ianao, Ary tsy havelako ho afa-maina fotsiny fa hosaziko.\u2019\u201d"
},
"47": {
"1": "Nampita hafatra tamin\u2019i Jeremia mpaminany momba ny Filistinina i Jehovah, talohan\u2019ny nandresen\u2019i Farao an\u2019i Gaza.",
"2": "Izao no tenin\u2019i Jehovah: \u201cMisy rano avy any avaratra. Ho lasa riaka be izany, Ka hanafotra an\u2019ilay tany sy izay rehetra eo aminy, Izany hoe ny tan\u00e0na sy ny mponina\u00a0ao. Hitaraina ny lehilahy, Ary hidradradradra ny mponina rehetra ao amin\u2019ilay tany.",
"3": "Noho ny fikatrokatroky ny kitron-tsoavaly, Sy ny firodorodon\u2019ny kalesy fitondra miady, Ary ny fitabataban\u2019ny kodiarany, Dia tsy hiverina hamonjy ny zanany na dia ny raim-pianakaviana aza, Satria malemy tsy mahavita na inona na inona intsony ny tanany.",
"4": "Fa tonga ilay andro handringanana ny Filistinina rehetra. Hesorina tsy ho ao Tyro sy Sidona ny sisa tavela amin\u2019ireo nifanaraka taminy. Haringan\u2019i Jehovah mantsy ny Filistinina, Dia izay sisa tavela avy any amin\u2019ny nosy Kaftora.",
"5": "Ho sola i Gaza, Ary hangina i Askelona. Ry sisa tavela eny amin\u2019ny tany lemaka \u00f4, Mandra-pahoviana ianao no handidididy ny vatanao?",
"6": "\u201c\u00d4\u00a0ry sabatr\u2019i Jehovah\u00a0\u00f4! Rahoviana ianao vao hangina? Miverena ao anaty tranonao. Mial\u00e0 sasatra, dia mang\u00ecna.",
"7": "Ataony ahoana moa ny hangina, Nefa i Jehovah no nanome baiko azy? Any Askelona sy eny amin\u2019ny morontsiraka\u00a0izy No notendreny hanafika."
},
"48": {
"1": "Izao no lazain\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, Andriamanitry ny Israely, momba an\u2019i Moaba: \u201cIdiran-doza i Nebo fa rava! Menatra sady azo babo i Kiriataima. Menatra sy mivarahontsana ireo mponina eny amin\u2019ny fialofana azo antoka.",
"2": "Tsy midera an\u2019i Moaba intsony izy ireo. Any Hesbona izy ireo no manao tetika handavoana azy, ka milaza hoe: \u2018Andao hofoanantsika tsy ho firenena intsony izy!\u2019 Tokony hangina koa ianao, ry\u00a0Madmena\u00a0\u00f4, Fa manenjika anao ny sabatra!",
"3": "Misy feo mitaraina ao Horonaima, Dia feona fandringanana sy fandravana\u00a0be.",
"4": "Rava i Moaba. Mitaraina ny ankizikely\u00a0ao.",
"5": "Sady miakatra mankany Lohita izy ireo no mitomany. Eny amin\u2019ny lalana midina avy any Horonaima izy ireo no maheno olona mitaraindraina noho ilay loza.",
"6": "Mandosira ka vonjeo ny ainareo! Ho lasa toy ny hazo zenevrie any an-tany efitra ianareo.",
"7": "Ny zava-bitanao sy ny harenanao no natokisanao, Ka ho lasa babo koa ianao. Ary hatao sesitany i\u00a0Kemosy, Sy ny mpisorony ary ny andrianany.",
"8": "Hidiran\u2019ny mpandrava ny tan\u00e0na rehetra, Ka tsy hisy tan\u00e0na ho afa-miala. Ho potika ny lohasaha Ary ho simba ny tany lemaka, araka ny efa nolazain\u2019i Jehovah.",
"9": "Asio marika famantarana ho an\u2019i Moaba, Satria handositra izy rehefa rava. Ary hihorohoro ny olona mahita an\u2019izay hanjo an\u2019ireo tan\u00e0nany, Izay tsy hisy mponina intsony.",
"10": "Ho voaozona izay manao tsirambina ny asa ampanaovin\u2019i Jehovah azy! Ho voaozona izay tsy mety mampiasa ny sabany handatsahan-dra!",
"11": "Tsy nisy nanakorontana efa hatramin\u2019izy mbola kely ny Moabita, Toy ny divay tsy nahetsiketsika ka mihandrona eny ambany ny faikany. Mbola tsy nafindra tao amin\u2019ny siny hafa izy ireo, Ary mbola tsy natao sesitany mihitsy. Izany no tsy mampiova ny tsirony Sy ny fofony.",
"12": "\u201c\u2018Koa ho avy ny andro\u2019, hoy i Jehovah, \u2018izay handefasako olona hampihohoka azy ireo. Hahohok\u2019izy ireny izy ireo, ka tsy havelany hisy tavela intsony ao anaty sininy, ary hopotipotehiny ireo siny lehibe.",
"13": "Dia ho menatra ny Moabita noho ny amin\u2019i Kemosy, toy ny nahamenatra ny taranak\u2019Israely noho ny amin\u2019i Betela, izay nitokisany.",
"14": "Nahoana ianareo no sahy miteny hoe: \u201cMiaramila matanjaka izahay sady vonona hiady\u201d?\u2019",
"15": "\u2018Noravana i Moaba, Ary nisy nanafika ny tan\u00e0nany. Novonoina ireo tovolahy matanjaka indrindra\u2019, Hoy ilay Mpanjaka, izay manana anarana hoe Jehovah Tompon\u2019ny tafika.",
"16": "Kely sisa dia ho tratran\u2019ny loza ny Moabita, Ary mihamanatona haingana ny fahareseny.",
"17": "Tsy maintsy hangoraka azy daholo ny manodidina azy, Dia izay rehetra mahalala ny anarany. Lazao azy ireo hoe: \u2018Dia tapaka tokoa moa izany ilay tsorakazo mafy, ilay tehina tsara tarehy!\u2019",
"18": "Mid\u00ecna avy eny amin\u2019ny toeram-boninahitrao, Ka mipetraha na dia mangetaheta aza ianao, ry\u00a0zanakavavy mipetraka ao Dibona. Fa tonga hamely anao ilay nandrava an\u2019i Moaba, Ka horavany ireo toerana voaro mafy ao aminao.",
"19": "Mijan\u00f2na eo amin\u2019ny lalana ka jereo tsara, ry\u00a0mponin\u2019i Aroera. Anontanio ny lehilahy mandositra sy ny vehivavy mitsoaka hoe: \u2018Fa misy inona?\u2019",
"20": "Menatra i Moaba sady nihorohoro. Midradradradr\u00e0 ary aoka ianareo hitaraindraina! Lazao any Arnona hoe noravana i Moaba.",
"21": "\u201cMiakatra fitsarana ny tany lemaka, dia i Holona, Jahaza, Mefata,",
"22": "Dibona, Nebo, Beti-diblataima,",
"23": "Kiriataima, Beti-gamola, Beti-meona,",
"24": "Keriota, Bozra, ary ny tan\u00e0na rehetra ao Moaba, na ny lavitra na ny akaiky.",
"25": "\u2018Natao tsy misy hery intsony i Moaba, Ary notapahina ny sandriny\u2019, hoy i Jehovah.",
"26": "\u2018Ataovy izay hahamamo azy, fa mirehareha manohitra an\u2019i Jehovah izy. Mihosinkosina ao anaty loany i Moaba, Ary ataon\u2019ny olona fihomehezana.",
"27": "Fa angaha moa ny Israely tsy nataonao fihomehezana? Tratra niaraka tamin\u2019ny mpangalatra angaha\u00a0izy No mihivingivin-doha ianao sady miampanga azy?",
"28": "Ilaozy ny tan\u00e0nanareo, ka mandehana mipetraka eny amin\u2019ny harambato, ry\u00a0mponin\u2019i Moaba! Aoka ianareo ho toy ny voromailala manao ny akaniny eny amin\u2019ny sisin\u2019ny hantsana.\u2019\u201d",
"29": "\u201cEfa henonay hoe mirehareha i Moaba. Tena manambony tena izy. Henonay hoe mizahozaho izy, mirehareha, manambony tena, ary be\u00a0hambom-po.\u201d",
"30": "\u201c\u2018Fantatro hoe misafoaka izy\u2019, hoy i Jehovah. \u2018Tsy ho tanteraka anefa ny redirediny. Tsy hanao na inona na inona izy ireo.",
"31": "Koa hidradradradra noho ny amin\u2019i Moaba aho, Dia higogogogo noho ny amin\u2019i Moaba manontolo, Sy hitaraina noho ny amin\u2019ny olona ao Kira-heresa.",
"32": "Mbola mihoatra noho ny nitomaniana an\u2019i Jazera No hitomaniako anao, ry\u00a0voalobok\u2019i Sibma\u00a0\u00f4! Tonga hatrany ampitan\u2019ny ranomasina ny sampanao midoroboka. Tonga hatrany an-dranomasina, hatrany Jazera, izany. Nanaovan\u2019ny mpandrava bemidina Ny voankazonao masaka fahavaratra sy ny voaloboka notazanao.",
"33": "Tsy misy feon\u2019olona mifaly sy miravoravo intsony eny amin\u2019ny saham-boankazo Sy ao Moaba. Efa nataoko tsy misy divay mikoriana intsony avy ao anaty lavaka famiazam-boaloboka. Tsy hanao horakora-pifaliana ny mpanitsakitsaka voaloboka, Fa horakoraka hafa mihitsy no hataon\u2019izy ireo.\u2019\u201d",
"34": "\u201c\u2018Misy mitaraina any Hesbona ka re hatrany Elale. Manandratra ny feony izy ireo ka heno hatrany Jahaza. Ary ny antsoantso any Zoara re hatrany Horonaima sy Egleta-selisia. Na ny ranon\u2019i Nimrima aza ho ritra tanteraka.",
"35": "Hofoanako tsy hisy ao Moaba\u2019, hoy i Jehovah, \u2018Ny olona manao fanatitra eny amin\u2019ny toerana\u00a0avo Sy ny olona manao sorona ho an\u2019ny andriamaniny.",
"36": "Koa hitaraindraina toy ny sodina ny foko noho ny amin\u2019i Moaba. Ary hitaraindraina toy ny sodina ny foko noho ny amin\u2019ny olona ao Kira-heresa. Ho fongana mantsy ny harena nangoniny.",
"37": "Fa nosolaina ny lohan\u2019izy rehetra, Ary nesorina daholo ny volombavany. Nodidididiana ny tanan\u2019izy rehetra Ary misy lamba gony eo amin\u2019ny andilany!\u2019\u201d",
"38": "\u201c\u2018Tsy misy afa-tsy fidradradradrana no heno Eny amin\u2019ny tampon-trano rehetra ao Moaba Sy eny amin\u2019ny tany malalaky ny tan\u00e0nany. Fa nopotehiko i Moaba Ka nataoko toy ny vilany tsy misy ilana azy intsony\u2019, hoy i Jehovah.",
"39": "\u2018Mihorohoro izy! Midradradradr\u00e0! Mandositra i Moaba satria menatra! Ataon\u2019ny olona fihomehezana i Moaba. Mihorohoro daholo ny manodidina azy mahita an\u2019izay manjo azy.\u2019\u201d",
"40": "\u201cFa izao no lazain\u2019i Jehovah: \u2018Hamelatra ny elany izy mba hifaoka an\u2019i Moaba, Toy ny ataon\u2019ny voromahery mifaoka ny hazany.",
"41": "Ho lasa babo ireo tan\u00e0na, Ary ho lasan\u2019olona ireo toerany voaro mafy. Amin\u2019izany andro izany, ny fon\u2019ireo miaramila ao Moaba Dia hitebiteby toy ny fon\u2019ny vehivavy eo am-piterahana.\u2019\u201d",
"42": "\u201c\u2018Ho fongana tsy ho firenena intsony i Moaba, Noho izy mirehareha manohitra an\u2019i Jehovah.",
"43": "Horohoro sy lavaka ary fandrika no miandry anao, Ry mponin\u2019i Moaba\u2019, hoy i Jehovah.",
"44": "\u2018Izay mandositra noho ny horohoro dia ho latsaka ao anaty lavaka, Ary izay miakatra avy ao anaty lavaka dia ho tratran\u2019ny fandrika.\u2019 \u2018Fa ho avy ny taona hanasaziako an\u2019i Moaba\u2019, hoy i Jehovah.",
"45": "\u2018Mijanona eo ambany alokalok\u2019i Hesbona ireo nandositra ary tsy manan-kery intsony. Fa hisy afo hivoaka avy ao Hesbona Ary hisy lelafo avy ao Sihona. Holevonin\u2019izy io ny handrin\u2019i Moaba Sy ny karandohan\u2019ireo zanaka tia herisetra.\u2019",
"46": "\u2018Hahita loza ianao, ry\u00a0Moaba! Ripaka ny vahoakan\u2019i Kemosy. Fa nentina ho babo ny zanakao lahy Ary natao sesitany ny zanakao vavy.",
"47": "Mbola hangoniko anefa, any am-parany any, ireo mponin\u2019i Moaba lasa babo\u2019, hoy i Jehovah. \u2018Mifarana eto ny didim-pitsarana momba an\u2019i Moaba.\u2019\u201d"
},
"49": {
"1": "Izao no lazain\u2019i Jehovah momba ny Amonita: \u201cTsy manan-janaka lahy angaha ny Israely? Tsy manana mpandova angaha izy? Koa nahoana no alain\u2019i Malkama ny tanin\u2019i Gada? Ary nahoana ny vahoakany no mipetraka ao amin\u2019ireo tan\u00e0nan\u2019ny Israely?\u201d",
"2": "\u201c\u2018Koa henoy izao!\u2019, hoy i Jehovah. \u2018Ho avy ny andro Handefasako feo fanairana amin\u2019ny ady, ka hataoko mandre an\u2019izany i Raba tan\u00e0nan\u2019ny Amonita. Ho lasa dongon-tany ngazana izy, Ary hodorana ireo tan\u00e0na miankina aminy.\u2019 \u2018Dia halain\u2019ny Israely ny tanin\u2019ireo naka ny taniny\u2019, hoy i Jehovah.",
"3": "\u2018Midradradradr\u00e0, ry\u00a0Hesbona\u00a0\u00f4, fa rava i\u00a0Ay! Aoka ianareo hitaraina, ry\u00a0tan\u00e0na miankina amin\u2019i Raba. Misik\u00ecna lamba gony. Midradradradr\u00e0 ary mandehana mivezivezy eny amin\u2019ireo vala vita amin\u2019ny vato, Fa hatao sesitany i Malkama Sy ny mpisorony ary ny andrianany.",
"4": "Nahoana no mampirehareha anao ireo lohasaha, Dia ireo lemaka azon-drano ao aminao, ry\u00a0zanakavavy mpivadika? Mitoky amin\u2019ny harenanao ianao, Ka milaza hoe: \u201cIza no ho sahy hanafika ahy?\u201d\u2019\u201d",
"5": "\u201cHoy ilay Tompo Fara Tampony, dia i Jehovah Tompon\u2019ny tafika: \u2018Hataoko misy zavatra mampahatahotra hanjo anao, Avy amin\u2019ireo rehetra manodidina anao. Haparitaka any amin\u2019ny vazan-tany efatra ianareo, Ary tsy hisy hanangona an\u2019izay mandositra.\u2019\u201d",
"6": "\u201c\u2018Aorian\u2019izany anefa, dia hangoniko ireo Amonita lasa babo\u2019, hoy i Jehovah.\u201d",
"7": "Izao no lazain\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika momba an\u2019i Edoma: \u201cTsy misy fahendrena intsony angaha ao Temana? Tsy manana torohevitra tsara intsony angaha ireo mahira-tsaina? Tsy misy ilana azy intsony angaha ny fahendreny?",
"8": "Miverena ka mandosira! Mandehana miafina any amin\u2019ny lalina, ry\u00a0mponin\u2019i Dedana! Fa hahatonga loza amin\u2019i Esao\u00a0aho Rehefa tonga ny fotoana hanasaziako azy.",
"9": "Raha misy mpioty voaloboka tonga ao aminao, Tsy hamela sisa hotsimponina ve izy? Raha misy mpangalatra tonga amin\u2019ny alina, Dia izay tiany ihany no halainy.",
"10": "Fa hataoko mangadihady kosa i Esao. Hataoko miharihary ny toeram-piafenany Mba tsy ho afaka hiafina izy. Ho ripaka daholo ny zanany sy ny rahalahiny ary ny mpiara-monina aminy, Ary tsy hisy intsony izy.",
"11": "Ilaozy ny kamboty ray ao aminao, Fa hitsimbina ny ain\u2019izy ireny aho. Ary hatoky ahy ny mpitondratena ao aminao.\u201d",
"12": "Fa izao no lazain\u2019i Jehovah: \u201cRaha ireo tsy voasazy hisotro amin\u2019ny kaopy aza tsy maintsy misotro amin\u2019ilay izy, dia ianao indray ve no havela ho afa-maina fotsiny? Tsy havela ho afa-maina ianao, fa tsy maintsy hisotro amin\u2019ilay kaopy.\u201d",
"13": "\u201cMianiana amin\u2019ny tenako aho\u201d, hoy i Jehovah, \u201cfa hihorohoro ny olona mahita an\u2019izay hanjo an\u2019i Bozra. Holatsaina sy horavana izy ary hozonina. Ho rava mandrakizay ny tan\u00e0nany rehetra.\u201d",
"14": "Naheno tatitra avy amin\u2019i Jehovah aho. Nisy olona nirahina hankany amin\u2019ireo firenena hilaza hoe: \u201cMiang\u00f2na dia andao hanafika azy, Miom\u00e0na hiady aminy!\u201d",
"15": "\u201cFa nataoko tsy misy dikany ianao eo amin\u2019ireo firenena, Ary nataoko lasa tsinontsinona eo anatrehan\u2019ny olona.",
"16": "Namitaka anao ny fampihorohoroana nataonao Sy ny fireharehan\u2019ny fonao, Ry ilay mipetraka eny an-tsefatsefaky ny harambato Sy monina eny amin\u2019ny havoana avo indrindra. Na manorina ny akaninao eny amin\u2019ny avo toy ny ataon\u2019ny voromahery aza ianao, Dia hampidiniko avy eny\u201d, hoy i Jehovah.",
"17": "\u201cHihorohoro ny olona mahita an\u2019izay hanjo an\u2019i Edoma. Ho tsiravina izay mpandalo mahita azy, ka hisioka noho ny loza rehetra hanjo azy.",
"18": "Toy ny nandravana an\u2019i Sodoma sy Gomora ary ireo tan\u00e0na manodidina azy\u201d, hoy i Jehovah, \u201cno hanjo an\u2019i Edoma. Tsy hisy hipetraka intsony ao, ary tsy hisy olona hanorim-ponenana.",
"19": "\u201cJereo fa hisy olona hiakatra hamely an\u2019ireo kijana tsy nisy mpanafika, toy ny liona miakatra avy ao anaty kirihitrala matevina eny amoron\u2019i Jordana. Hasaiko mandositra avy hatrany anefa izy ka hiala ao amin\u2019ny taniny. Dia hotendreko hitarika azy ilay voafidy. Fa iza moa no hoatr\u2019ahy, ary iza no ho sahy hila ady amiko? Iza no mpiandry ondry mahatohitra ahy?",
"20": "Koa henoy ny fanapahan-kevitr\u2019i Jehovah hamelezana an\u2019i Edoma, sy izay efa noeritreretiny hamelezana ny mponin\u2019i Temana: Hotaritaritina tokoa ny ondrikely. Horavany ny toerana ipetrahan\u2019izy ireo noho ny amin\u2019ireo mponina ao.",
"21": "Nihovotrovotra ny tany noho ny fidoboky ny fianjeran\u2019izy ireo. Misy feo mitaraindraina izany! Ary heno hatrany amin\u2019ny Ranomasina Mena ilay izy.",
"22": "Hanao hoatran\u2019ny voromahery miakatra sy mifaoka ny hazany izy, Ka hamelatra ny elany hifaoka an\u2019i Bozra. Amin\u2019izany andro izany, ny fon\u2019ireo miaramila ao Edoma Dia hitebiteby toy ny fon\u2019ny vehivavy eo am-piterahana.\u201d",
"23": "Izao no voalaza momba an\u2019i Damaskosy: \u201cMenatra i Hamata sy Arpada, Satria nandre vaovao ratsy. Matahotra be izy ireo. Mitebiteby ny olona, ka toy ny ranomasina tsy mety tony.",
"24": "Tsy manana herim-po intsony i Damaskosy. Te handositra izy nefa tora-kovitra. Mijalijaly sy manaintaina\u00a0izy Hoatran\u2019ny vehivavy efa ho teraka.",
"25": "Nahoana \u00e0ry no tsy nilaozana ilay tan\u00e0na noderaina fatratra, Ilay tan\u00e0na nahafaly?",
"26": "Fa hiampatrampatra eny amin\u2019ny tany malalaka ny fatin\u2019ireo tovolahy ao aminy, Ary ho ripaka daholo ny miaramila, amin\u2019izany andro izany\u201d, hoy i Jehovah Tompon\u2019ny tafika.",
"27": "\u201cHodorako ny mandan\u2019i Damaskosy, Ka ho levon\u2019ny afo ny tilikambon\u2019i Beni-hadada, dia ireo tilikambo voaro mafy.\u201d",
"28": "Izao no lazain\u2019i Jehovah momba an\u2019i Kedara sy ireo fanjakana ao Hazora izay notafihin\u2019i Nebokadnezara mpanjakan\u2019i Babylona: \u201cMitsang\u00e0na ka miakara any Kedara, Ary aringano ireo zanaky ny Atsinanana.",
"29": "Ho lasan\u2019olona ny tranolainy, ny ondry aman\u2019osiny, Ny lainy, ary ny fananany rehetra. Hisy haka koa ny ramevany. Dia hisy hiantsoantso hilaza amin\u2019ny mponin\u2019i Kedara hoe: \u2018Manjaka hatraiza hatraiza ny horohoro!\u2019\u201d",
"30": "\u201cMandosira! Mandehana mitsoaka lavitra\u00a0be! Mandehana miafina any amin\u2019ny lalina, ry\u00a0mponin\u2019i Hazora!\u201d, hoy i Jehovah. \u201cFa mikasa hamely anareo i Nebokadnezara mpanjakan\u2019i Babylona, Ary misy tetika efa noeritreretiny hamelezana anareo.\u201d",
"31": "\u201cMitsang\u00e0na ka miakara hiady amin\u2019ilay firenena tsy misy korontana, Izay miadana sy milamina!\u201d, hoy i Jehovah. \u201cTsy misy varavarana na bara hidiny ny tan\u00e0nany. Ary mitoka-monina izy.",
"32": "Hisy hangalatra ny ramevany Ary hisy haka ny biby fiompiny maro\u00a0be. Haeliko any amin\u2019ny vazan-tany efatra izy ireo, Dia izay nokakasana ny fihirifany. Hahatonga loza aminy avy any amin\u2019ny vazan-tany efatra aho\u201d, hoy i Jehovah.",
"33": "\u201cDia ho lasa toerana ipetrahan\u2019ny alikadia i Hazora, Ary ho aolo mandrakizay. Tsy hisy hipetraka intsony\u00a0ao, Ary tsy hisy olona hanorim-ponenana.\u201d",
"34": "Izao no tenin\u2019i Jehovah tamin\u2019i Jeremia mpaminany momba an\u2019i Elama, rehefa nanomboka nanjaka i Zedekia mpanjakan\u2019ny Joda:",
"35": "\u201cIzao no lazain\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika: \u2018Hotapahiko ny tsip\u00eckan\u2019i Elama, dia ny loharanon\u2019ny heriny.",
"36": "Hataoko mifofofofo amin\u2019i Elama ny rivotra efatra avy any amin\u2019ny lafiny efatry ny lanitra. Dia haeliko any amin\u2019ny toerana rehetra itsofan\u2019ireo rivotra ireo izy, ka tsy hisy firenena tsy ho tongan\u2019ireo Elamita naparitaka.\u2019\u201d",
"37": "\u201cHataoko mihorohoro eo anatrehan\u2019ny fahavalony sy eo anatrehan\u2019ireo mitady hamono azy ny Elamita. Hahatonga loza amin\u2019izy ireo aho, ka hanampatra ny hatezerako aminy\u201d, hoy i Jehovah. \u201cHandefa sabatra hamely azy ireo aho, mandra-paharipany tanteraka.\u201d",
"38": "\u201cDia hapetrako ao Elama ny seza fiandrianako, ary haringako ny mpanjaka sy ny andriana ao aminy\u201d, hoy i Jehovah.",
"39": "\u201cAny am-parany anefa, dia mbola hangoniko ireo Elamita lasa babo\u201d, hoy i Jehovah."
},
"50": {
"1": "Izao no tenin\u2019i Jehovah tamin\u2019i Jeremia mpaminany momba an\u2019i Babylona, ilay tanin\u2019ny Kaldeanina:",
"2": "\u201cLazao any amin\u2019ireo firenena, ary ambarao! Manang\u00e0na famantarana, ary ambarao. Aza misy afenina mihitsy! Lazao hoe: \u2018Azo babo i Babylona. Menatra i Bela. Mihorohoro i Merodaka. Menatra ireo sary nivavahany. Mihorohoro ireo sampiny maharikoriko.\u2019",
"3": "Fa misy firenena avy any avaratra tonga hamely azy. Ataon\u2019izy io izay hahatonga ny olona hihorohoro rehefa mahita an\u2019izay manjo ny taniny. Tsy misy mipetraka intsony\u00a0ao. Nandositra daholo ny olona sy ny biby. Lasa nitsoaka izy ireo.\u201d",
"4": "\u201cAmin\u2019izany andro sy fotoana izany\u201d, hoy i Jehovah, \u201cdia hiara-tonga ny vahoakan\u2019Israely sy ny vahoakan\u2019i Joda. Sady handeha izy ireo no hitomany, ary hiara-mitady an\u2019i Jehovah Andriamaniny.",
"5": "Hanontany ny lalana mankany Ziona izy ireo ary hitodika any, ka hanao hoe: \u2018Andao hanao fifanekena amin\u2019i Jehovah, dia fifanekena mandrakizay tsy hohadinoina mihitsy.\u2019",
"6": "Lasa toy ny andian\u2019ondry very ny vahoakako. Ny mpiandry azy mihitsy no nitarika azy ireo tany amin\u2019ny lalan-diso. Nentin\u2019izy ireny teny an-tendrombohitra izy ireo, ka nirenireny teny an-tendrombohitra sy teny amin\u2019ny havoana. Hadinon\u2019izy ireo ilay toerana nialany sasatra.",
"7": "Nandrapaka azy izay rehetra nahita azy, ary hoy ny fahavalony: \u2018Tsy meloka isika satria ry\u00a0zareo no nanota tamin\u2019i Jehovah, dia i Jehovah ilay loharanon\u2019ny fahamarinana sy fanantenan\u2019ny razambeny.\u2019\u201d",
"8": "\u201cMandosira ka mial\u00e0 ao Babylona. Mivoaha avy ao amin\u2019ny tanin\u2019ny Kaldeanina, Ary aoka ianareo ho toy ny osilahy mitari-dalana ny ondry aman\u2019osy.",
"9": "Fa hiantso firenena lehibe maromaro avy any avaratra\u00a0aho Mba hanafika an\u2019i Babylona. Hilahatra hiady aminy izy ireny, Ka avy any no hahazoany azy. Ny zana-tsip\u00eckan\u2019izy ireny, dia toy ny an\u2019ny miaramila Izay mahatonga ny ray aman-dreny hamoy ny zanany. Tsy miverim-potsiny izy ireny.",
"10": "Horobaina i Kaldea, Ary tena ho afa-po izay rehetra mandroba azy\u201d, hoy i Jehovah.",
"11": "\u201cFa nifaly sy niravoravo ianareo Tamin\u2019ianareo nandroba ny lovako. Nifalihavanja toy ny ombivavy kely eny amin\u2019ny ahi-maitso ianareo, Ary nitabataba hoatran\u2019ny soavalilahy.",
"12": "Menatra ny reninareo. Diso fanantenana ilay niteraka anareo. Jereo fa izy no tsinontsinona indrindra amin\u2019ireo firenena, Satria lasa tany efitra tsy misy rano sady karakaina.",
"13": "Tezitra aminy i Jehovah ka tsy hisy mponina intsony ao aminy. Ho rava tanteraka izy. Ho tsiravina izay mpandalo mahita an\u2019i Babylona, Ka hisioka noho ny loza rehetra nanjo azy.",
"14": "Milahara manodidina an\u2019i Babylona mba hanafika\u00a0azy Ianareo rehetra manomana tsip\u00ecka. Tifiro izy ka tapero aminy daholo ny zana-tsip\u00eckanareo, Fa tamin\u2019i Jehovah izy no nanota.",
"15": "Manaova hiakan\u2019ady manodidina azy. Mitolo-batana izy. Mianjera ireo andry ao aminy, ary mirodana ireo mandany, Satria mamaly ny nataony i\u00a0Jehovah. Valio araka ny nataony i Babylona. Hoatr\u2019izay nataony ihany atao aminy.",
"16": "Ataovy fongana tsy misy ao Babylona ny mpamafy\u00a0voa Sy izay mampiasa antsy fijinjana amin\u2019ny fotoam-pijinjana. Mandripaka ny sabatra, ka samy hiverina any amin\u2019ny fireneny avy izy ireny. Samy handositra any amin\u2019ny taniny avy izy.",
"17": "\u201cToy ny ondry miely eny rehetra eny ny vahoakan\u2019Israely. Naparitaky ny liona izy ireo. Nandrapaka azy aloha ny mpanjakan\u2019i Asyria, dia nikepokepoka ny taolany avy eo i Nebokadnezara mpanjakan\u2019i Babylona.",
"18": "Koa izao no lazain\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, Andriamanitry ny Israely: \u2018Hosaziko ny mpanjakan\u2019i Babylona sy ny taniny, hoatran\u2019ny nataoko tamin\u2019ny mpanjakan\u2019i Asyria.",
"19": "Haveriko any amin\u2019ny kijana nisy azy ny Israely, ka hiraoka ahitra any Karmela sy Basana. Eny amin\u2019ny tendrombohitr\u2019i Efraima sy Gileada izy no ho voky tsara.\u2019\u201d",
"20": "\u201cAmin\u2019izany andro sy fotoana izany\u201d, hoy i Jehovah, \u201cDia hokarohina ny heloka vitan\u2019ny Israely Nefa tsy hisy, Ary hokarohina ny fahotan\u2019ny Joda nefa tsy ho hita, Fa hamela ny helok\u2019ireo navelako ho velona aho.\u201d",
"21": "\u201cMiakara hanafika an\u2019i Merataima sy ny mponin\u2019i Pekoda. Aoka izy ireo haripaka sy haringana tanteraka\u201d, hoy i\u00a0Jehovah. \u201cAtaovy izay rehetra asaiko ataonao.",
"22": "Tabataban\u2019ireo tafika miady no heno ao amin\u2019ilay tany, Dia loza amin\u2019antambo.",
"23": "Tapaka sy potika tokoa ilay marotoan\u2019ny mpanefy, izay nanorotoro ny tany rehetra! Lasa mampihorohoro an\u2019ireo firenena ny mahita an\u2019i Babylona!",
"24": "Nofandrihako ianao ka tratra, ry\u00a0Babylona\u00a0\u00f4, Nefa tsy fantatrao akory. Hita ianao ka nosamborina, Satria i Jehovah no notoherinao.",
"25": "Nosokafan\u2019i Jehovah ny trano fitehirizany fitaovam-piadiana, Ka navoakany ny fitaovam-piadiana fampiasany rehefa tezitra izy. Fa misy asa ataon\u2019ilay Tompo Fara Tampony, dia i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, Any amin\u2019ny tanin\u2019ny Kaldeanina.",
"26": "Tongava miady aminy, ianareo avy any an-tany lavitra. Sokafy ny sompitra ao aminy. Ataovy mivangongo toy ny vokatra miavosa ny fananany. Aringano tanteraka izy. Enga anie tsy hisy ho tavela ao aminy na iray aza!",
"27": "Aripaho daholo ny vantotr\u2019ombilahiny. Aoka izy ireny hidina hovonoina! Idiran-doza izy ireny fa tonga ny androny, Dia ny fotoana hitsarana azy!",
"28": "Izany ny feon\u2019ireo mandositra, Dia ireo mitsoaka avy any Babylona Mba hanambara any Ziona fa hamaly ny nataon\u2019i Babylona i Jehovah Andriamanitsika, Dia ny nandravana ny tempoliny.",
"29": "Antsoy hamely an\u2019i Babylona ny mpandefa zana-tsip\u00ecka, Dia izay rehetra manomana tsip\u00ecka. Mitobia manodidina azy, ary aza avela hisy handositra. Valio araka ny nataony izy. Hoatr\u2019izay nataony ihany atao aminy. Fa nirehareha nanohitra an\u2019i Jehovah izy, Nanohitra an\u2019Ilay Masin\u2019ny Israely.",
"30": "Koa hiampatrampatra eny amin\u2019ny tany malalaka ny fatin\u2019ireo tovolahy ao aminy, Ary ho ripaka daholo ny miaramilany amin\u2019izany andro izany\u201d, hoy i Jehovah.",
"31": "\u201cHenoy izao!\u201d, hoy ilay Tompo Fara Tampony, dia i Jehovah Tompon\u2019ny tafika. \u201cHifanandrina aminao aho, ry\u00a0mpikomy\u00a0\u00f4, Fa tsy maintsy ho tonga ny andronao, dia ny fotoana hanaovako ampamoaka anao.",
"32": "Ho tafintohina sy ho lavo ianao, ry mpikomy\u00a0\u00f4, Ka tsy hisy hanarina. Ary hodorako ny tan\u00e0nanao, Ka ho levon\u2019ny afo izay rehetra manodidina anao.\u201d",
"33": "Izao no lazain\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika: \u201cAmpahorina ny vahoakan\u2019Israely sy Joda, Ary mitazona azy ireo daholo izay naka azy ho babo. Tsy mety mandefa azy ireo izy ireny.",
"34": "Mahery anefa ilay Mpanavotra azy. Jehovah Tompon\u2019ny tafika no anarany. Tsy maintsy hiady ho azy ireo eny amin\u2019ny fitsarana izy, Mba hanomezany fiadanana an\u2019ilay tany Sy mba hampivadi-po an\u2019ireo mponin\u2019i Babylona.\u201d",
"35": "\u201cHisy sabatra hamely ny Kaldeanina\u201d, hoy i Jehovah, \u201cDia ny mponin\u2019i Babylona sy ny andrianany ary ny olon-kendriny.",
"36": "Hisy sabatra hamely an\u2019ireo mpirediredy ka hanao hadalana ireny. Hisy sabatra hamely an\u2019ireo miaramilany ka hihorohoro ireny.",
"37": "Hisy sabatra hamely an\u2019ireo soavaliny sy ny kalesy fitondrany miady Ary ny hafa firenena rehetra ao aminy, Ka ho lasa toy ny vehivavy izy ireny. Hisy sabatra hamely ny harenany ka horobaina ireny.",
"38": "Hidiran-doza ny rano ao aminy ka ho ritra. Fa tany feno sary sokitra izy, Ary manao hadalana foana ny mpivavaka amin\u2019ireny satria mahita fahitana mampahatahotra.",
"39": "Koa hiara-monina ny biby mipetraka any an-tany efitra sy ny biby minaonaona, Ary honina ao ny aotirisy. Tsy hisy hipetraka intsony mihitsy\u00a0ao, Ary tsy honenana intsony izy hatramin\u2019ny taranaka fara aman-dimby.\u201d",
"40": "\u201cToy ny nandravan\u2019Andriamanitra an\u2019i Sodoma sy Gomora ary ireo tan\u00e0na manodidina azy\u201d, hoy i Jehovah, \u201cno hanjo an\u2019i Babylona. Tsy hisy hipetraka intsony ao, ary tsy hisy olona hanorim-ponenana.",
"41": "Hisy vahoaka ho tonga avy any avaratra. Firenena iray lehibe sy mpanjaka be\u00a0voninahitra no hantsoina Avy any amin\u2019ny faritra lavitra indrindra amin\u2019ny tany.",
"42": "Tsip\u00ecka sy lefom-pohy no ampiasain\u2019izy ireo. Masiaka be izy ireo ka tsy hiantra. Toy ny feon\u2019ny ranomasina misamboaravoara ny fandrenesana azy ireo, Rehefa mitaingin-tsoavaly. Milahatra toy ny olona iray izy ireo mba hiady aminao, ry\u00a0zanakavavin\u2019i Babylona\u00a0\u00f4!",
"43": "Nandre tatitra momba azy ireo ny mpanjakan\u2019i Babylona, Ka miraviravy tanana. Mijaly izy, Manaintaina mafy toy ny vehivavy efa ho teraka.",
"44": "\u201cJereo fa hisy olona hiakatra hamely an\u2019ireo kijana tsy nisy mpanafika, toy ny liona miakatra avy ao anaty kirihitrala matevina eny amoron\u2019i Jordana. Hasaiko mandositra avy hatrany anefa izy ireo ka hiala ao amin\u2019ny taniny. Dia hotendreko hitarika azy ilay voafidy. Fa iza moa no hoatr\u2019ahy, ary iza no ho sahy hila ady amiko? Iza no mpiandry ondry mahatohitra ahy?",
"45": "Koa henoy ny fanapahan-kevitr\u2019i Jehovah hamelezana an\u2019i Babylona, sy izay efa noeritreretiny hamelezana ny tanin\u2019ny Kaldeanina. Hotaritaritina tokoa ny ondrikely. Horavany ny toerana ipetrahan\u2019izy ireo noho ny amin\u2019ireo mponina ao.",
"46": "Hihovotrovotra ny tany satria heno hoe resy i Babylona, Ary feo mitaraindraina no ho re eo amin\u2019ireo firenena.\u201d"
},
"51": {
"1": "Izao no lazain\u2019i Jehovah: \u201cHampifofofofo rivotra mandravarava aho, Mba hamely an\u2019i Babylona sy ny mponin\u2019i Leba-kamay.",
"2": "Haniraka olona hankany Babylona aho, Ka hokororohin\u2019izy ireo izy ary hataony tsy misy na inona na inona intsony ny taniny. Hanodidina an\u2019i Babylona izy ireo mba hanafika azy, amin\u2019ny andro hahitany loza.",
"3": "Aoka ny mpandefa zana-tsip\u00ecka tsy hanomana ny tsip\u00eckany. Ary aoka tsy hisy ho tafatsangana ireo manao akanjo mifono\u00a0vy. Aza iantrana ireo tovolahy ao aminy. Aripaho daholo ny tafiny.",
"4": "Ary hiampatrampatra any amin\u2019ny tanin\u2019ny Kaldeanina ny fatin\u2019izy ireo, Dia ireo voatrobaka eny amin\u2019ny lalany.",
"5": "Tsy maty vady mantsy ny Israely sy Joda fa mbola vadin\u2019ilay Andriamaniny, dia i Jehovah Tompon\u2019ny tafika. Meloka tanteraka kosa ny tanin\u2019izy ireo eo anatrehan\u2019Ilay Masin\u2019ny Israely.",
"6": "Mandosira ka mial\u00e0 ao Babylona, Ary vonjeo ny ainareo! Aoka tsy ho faty noho ny fahadisoany ianareo! Fa tonga ny fotoana famalian\u2019i Jehovah. Izay nataon\u2019i Babylona ihany no avaliny azy.",
"7": "Kaopy volamena teny an-tanan\u2019i Jehovah i Babylona. Nataon\u2019i Babylona izay hahamamo ny tany rehetra. Nisotro tamin\u2019ny divainy ireo firenena, Ka izany no nahalasa adala azy ireny.",
"8": "Nianjera tampoka i Babylona ary torotoro. Midradradradr\u00e0 noho ny aminy! Mak\u00e0 balsama fa manaintaina izy, sao mba mety ho sitrana ihany izy.\u201d",
"9": "\u201cEfa niezaka nitsabo an\u2019i Babylona izahay, fa tsy nety sitrana izy. Ilaozy izy! Andao isika hody any amin\u2019ny tanintsika avy. Fa tonga hatreny amin\u2019ny lanitra ny heloka vitany. Misavovona hatreny amin\u2019ny rahona izany.",
"10": "Nanome rariny antsika i Jehovah. Andao hotantaraintsika any Ziona ny asan\u2019i Jehovah Andriamanitsika.\u201d",
"11": "\u201cAtaovy maranitra ny zana-tsip\u00ecka. Raiso ny ampinga boribory. Nentanin\u2019i Jehovah ireo mpanjakan\u2019ny Medianina, Satria mikasa handrava an\u2019i Babylona Izy. Fa hamaly ny nataony i Jehovah, dia ny nandravana ny tempoliny.",
"12": "Manang\u00e0na famantarana fa hotafihina ny mandan\u2019i Babylona. Hamafiso ny fiambenana, apetraho amin\u2019ny toerany ireo mpitily. Ampiomano ireo mpanafika efa miafina. Fa efa nanao tetika i Jehovah, Ary hanatanteraka an\u2019izay nampanantenainy izy, dia ny hoe hisy hanafika ny mponin\u2019i Babylona.\u201d",
"13": "\u201cRy vehivavy mipetraka eo ambonin\u2019ny rano\u00a0be Sady manankarem-be, Hifarana hatreo ny aminao, ary ho tapitra hatreo ny fitadiavanao tombony.",
"14": "Efa nianiana tamin\u2019ny tenany i Jehovah Tompon\u2019ny tafika hoe: \u2018Hofenoiko olona be dia be toy ny valala ao aminao, Ary hihorakoraka izy ireny rehefa mandresy anao!\u2019",
"15": "Izy Ilay nanao ny tany tamin\u2019ny heriny, Dia Ilay nanao izay hahamafy orina ny tany lonaka tamin\u2019ny fahendreny, Sy namelatra ny lanitra tamin\u2019ny fahiratan-tsainy.",
"16": "Rehefa ataony heno ny feony, Dia misamboaravoara ny rano eny amin\u2019ny lanitra, Ary mampiakatra rahona avy any amin\u2019ny faran\u2019ny tany izy. Manao tselatra ho an\u2019ny orana izy, Ary avoakany avy ao amin\u2019ny trano fitehirizany azy ny rivotra.",
"17": "Tsy misaina ny olona rehetra sady manaonao foana. Ho menatra ny mpanefy rehetra fa nanao sary sokitra. Fitaka fotsiny mantsy ny sarivongana metaly nataony, Sady tsy mananaina.",
"18": "Sandoka fotsiny ireny sady ihomehezan\u2019ny olona. Ho fongana ireny rehefa tonga ny andro hanasaziana azy.",
"19": "Tsy mba toy ireny kosa ilay Anjaran\u2019i Jakoba, Fa izy Ilay nanao ny zava-drehetra, Ary izy no tehin\u2019ny lovany. Jehovah Tompon\u2019ny tafika no anarany.\u201d",
"20": "\u201cKibay eny an-tanako ianao, fitaovam-piadiako, Satria ianao no hampiasaiko hanorotoroana firenena. Ianao no hampiasaiko handravana fanjakana.",
"21": "Ianao no hampiasaiko hamotipotehana ny soavaly sy ny mpitaingina azy. Ianao no hampiasaiko hamotipotehana ny kalesy fitondra miady sy ny mpitaingina azy.",
"22": "Ianao no hampiasaiko hamotipotehana lehilahy sy vehivavy. Ianao no hampiasaiko hamotipotehana lehilahy antitra sy ankizilahy. Ianao no hampiasaiko hamotipotehana tovolahy sy tovovavy.",
"23": "Ianao no hampiasaiko hamotipotehana ny mpiandry ondry sy ny andian\u2019ondriny. Ianao no hampiasaiko hamotipotehana ny mpamboly sy ireo biby fiompiny miray zioga. Ianao no hampiasaiko hamotipotehana governora sy solontenam-panjakana.",
"24": "Hamaly an\u2019i Babylona sy ny mponina rehetra any Kaldea\u00a0aho Noho ny ratsy rehetra nataony tao Ziona, teo anatrehanareo\u201d, hoy i Jehovah.",
"25": "\u201cHifanandrina aminao aho, ry\u00a0tendrombohitra mandravarava\u00a0\u00f4\u201d, hoy i Jehovah, \u201cDia ianao izay mpandrava ny tany manontolo. Hanatsotra ny tanako hamely anao aho ka hakodiako avy eny amin\u2019ny harambato ianao, Ary hataoko lasa tendrombohitra kilan\u2019ny afo.\u201d",
"26": "\u201cTsy hakan\u2019ny olona vato hanaovana vato fehizoro na vato fototra ianao, Fa ho rava mandrakizay\u201d, hoy i Jehovah.",
"27": "\u201cManang\u00e0na famantarana ao amin\u2019ilay tany! Tsofy any amin\u2019ireo firenena ny anjombona. Tendreo ireo firenena hanafika azy. Antsoy hamely azy ny fanjakan\u2019i Ararata sy Miny ary Askenaza. Manendre manamboninahitra hiantso olona ho miaramila hiady aminy. Asaivo miakatra toy ny andiana kijeja ireo soavaly.",
"28": "Tendreo hanafika azy, ireo firenena, Izany hoe ireo mpanjakan\u2019i Media, ny governorany, ny solontenam-panjakana rehetra ao aminy, Ary ny tany rehetra anjakan\u2019izy ireo.",
"29": "Hihovotrovotra sy hipararetra ny tany, Satria ho tanteraka ny fikasan\u2019i Jehovah hamely an\u2019i Babylona, Mba hahatonga ny olona hihorohoro rehefa mahita an\u2019i Babylona tsy misy mponina.",
"30": "Tsy miady intsony ireo miaramila ao Babylona. Mipetraka ao amin\u2019ireo toerana voaro mafy izy ireo. Mihena ny heriny. Lasa toy ny vehivavy izy ireo. Nodorana ny trano fonenana ao aminy. Tapaka ireo bara hidiny.",
"31": "Mihazakazaka ny mpitondra hafatra iray ka mifanena amin\u2019ny mpitondra hafatra iray hafa, Ary mihazakazaka koa ny iraka iray ka mifanena amin\u2019ny iray hafa, Mba hilaza amin\u2019ny mpanjakan\u2019i Babylona fa azon\u2019ny fahavalo ny faritra samihafa amin\u2019ilay tan\u00e0nany,",
"32": "Lasany ireo toerana fiampitana rano, Nodorany ireo lakana vita amin\u2019ny zozoro, Ary mihorohoro ny miaramila.\u201d",
"33": "Fa izao no lazain\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, Andriamanitry ny Israely: \u201cToy ny famoloana i Babylona zanakavavy. Izao no fotoana hanosihosena mafy azy. Kely sisa dia ho tonga ny fotoana hijinjana azy.\u201d",
"34": "\u201cNarapak\u2019i Nebokadnezara mpanjakan\u2019i Babylona aho. Nataony very hevitra aho. Napetrany toy ny vilany tsy misy na inona na inona tavela aho. Toy ny bibilava ngezabe nitelina ahy izy. Ny zavatra tsara nananako no namenoany ny kibony. Noroahiny hiala teo amin\u2019ny taniko aho.",
"35": "\u2018Hifotitra amin\u2019i Babylona anie ny herisetra nataony tamiko sy tamin\u2019ny vatako!\u2019, hoy ny mponin\u2019i Ziona. Milaza koa i Jerosalema hoe: \u2018Hivaly amin\u2019ny mponin\u2019i Kaldea anie ny rako!\u2019\u201d",
"36": "Koa izao no lazain\u2019i Jehovah: \u201cHiady ho anao eo amin\u2019ny fitsarana aho, Ka hamaly izay nataony taminao. Hataoko ritra ny ranomasiny ary hataoko maina ny lavadranony.",
"37": "Ho lasa vato mivangongo i\u00a0Babylona Ary ho fonenan\u2019ny alikadia. Hihorohoro sy hisioka haneso ny olona Mahita azy tsy misy mponina.",
"38": "Hiara-mierona toy ny liona tanora izy rehetra. Hierona moramora toy ny zana-diona izy ireo.\u201d",
"39": "\u201cRaha iny mbola mazotozoto iny izy ireo, dia hanaovako fanasambe sy hataoko mamo, Mba hifalifaliany. Dia hatory mandrakizay izy ireo Ka tsy hifoha intsony\u201d, hoy i\u00a0Jehovah.",
"40": "\u201cHoentiko midina hovonoina toy ny zanak\u2019ondry izy ireo, Toy ny ondrilahy sy osy.\u201d",
"41": "\u201cAzon\u2019ny fahavalo i Sesaka! Azony tokoa ilay Derain\u2019ny tany manontolo! Hihorohoro ny firenena mahita an\u2019izay hanjo an\u2019i Babylona!",
"42": "Niakatra ny ranomasina ka nanafotra an\u2019i Babylona. Rakotry ny onjany maro\u00a0be izy.",
"43": "Hihorohoro ny olona mahita ny tan\u00e0nany; lasa tany karakaina sy tany efitra ireny. Tsy hisy honina intsony ao amin\u2019ilay tany, ary tsy hisy olona handalo.",
"44": "Hitodika manokana amin\u2019i Bela any Babylona aho, Ka hasaiko aloan\u2019ny vavany izay efa nateliny. Tsy hisy firenena hirohotra hankany intsony, Ary hirodana ny mandan\u2019i Babylona.",
"45": "Mivoaha avy ao aminy, ry\u00a0vahoakako! Vonjeo ny ainareo mba tsy hiharan\u2019ny fahatezerana mafin\u2019i Jehovah!",
"46": "Aza kivy na matahotra noho ny amin\u2019ny tatitra ho renareo ao amin\u2019ilay tany. Hisy tatitra ho tonga amin\u2019ny taona iray, Ary hisy tatitra hafa amin\u2019ny taona manaraka, Dia tatitra momba ny herisetra ao amin\u2019ilay tany sy momba ny mpitondra hanafika mpitondra.",
"47": "Koa henoy izao! Ho avy ny andro Hitodihako manokana amin\u2019ireo sary sokitra ao Babylona. Ho menatra ilay tany manontolo, Ary hiampatrampatra ao daholo ny fatin\u2019ireo voavono tao.",
"48": "Ny lanitra sy ny tany ary izay rehetra ao amin\u2019ireo, Dia hihoby noho izay hanjo an\u2019i Babylona. Fa ho tonga ao aminy avy any avaratra ireo mpandrava\u201d, hoy i Jehovah.",
"49": "\u201cTsy vitan\u2019ny hoe nataon\u2019i Babylona feno faty niampatrampatra teo amin\u2019ny Israely, Fa niampatrampatra tao Babylona koa ny fatin\u2019ny olona avy any amin\u2019ny tany rehetra.",
"50": "Mandehana foana fa aza mijanona, ianareo tsy matin\u2019ny sabatra! Tsarovy i Jehovah na dia lavitra aza ianareo, Ary ho ao an-tsainareo foana anie i Jerosalema.\u201d",
"51": "\u201cAfa-baraka izahay fa mandre esoeso. Rakotry ny henatra ny tarehinay, Satria tafihin\u2019ny olona avy amin\u2019ny firenen-kafa ny toerana masina ao amin\u2019ny tranon\u2019i Jehovah.\u201d",
"52": "\u201cKoa henoy izao!\u201d, hoy i Jehovah. \u201cHo avy ny andro Hitodihako manokana amin\u2019ireo sary sokitra ao Babylona. Ary hitaraindraina manerana ny taniny ireo maratra.\u201d",
"53": "\u201cNa dia hiakatra any an-danitra aza i Babylona, Ary na dia hamafisiny aza ny toerany voaro mafy izay avo dia avo, Dia hasaiko tonga ao aminy ihany ny mpandrava\u201d, hoy i Jehovah.",
"54": "\u201cIzany fa misy feo mitaraina avy ao Babylona, Dia feona fandravana be avy ao amin\u2019ny tanin\u2019ny Kaldeanina,",
"55": "Satria mandrava an\u2019i Babylona i Jehovah. Hataony tsy heno intsony ny feony mitabataba. Ary hidoboka mafy toy ny rano\u00a0be ny onjan\u2019izy ireo. Ho re ny feon\u2019izy ireo.",
"56": "Fa ho avy hamely an\u2019i Babylona ny mpandrava, Ka ho babo ireo miaramilany. Ho tapatapaka ny tsip\u00eckany, Satria i Jehovah dia Andriamanitra mpamaly ny natao. Tsy maintsy hamaly ny olona araka izay nataony izy.",
"57": "Hataoko mamo ny andrianany, ny olon-kendriny, Ny governorany, ny solontenam-panjakany, ary ny miaramilany. Hatory mandrakizay ireo Ka tsy hifoha intsony\u201d, hoy ilay Mpanjaka, izay manana anarana hoe Jehovah Tompon\u2019ny tafika.",
"58": "Izao no lazain\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika: \u201cHoravana tanteraka ny mandan\u2019i Babylona na dia matevina aza, Ary hodorana ireo vavahadiny na dia avo aza. Ho very maina fotsiny ny asa mafy ataon\u2019ny vahoaka, Handrera-tena fotsiny ireo firenena satria ho levon\u2019ny afo ny asany.\u201d",
"59": "Nomen\u2019i Jeremia mpaminany baiko i Seraia zanak\u2019i Neria, zanak\u2019i Mahaseia, tamin\u2019izy nankany Babylona niaraka tamin\u2019i Zedekia mpanjakan\u2019ny Joda, tamin\u2019ny taona fahefatra nanjakan\u2019i Zedekia. Mpiandraikitra ny sakafon\u2019ny miaramila io Seraia io.",
"60": "Nosoratan\u2019i Jeremia tao amin\u2019ny boky iray ny loza rehetra hanjo an\u2019i Babylona, dia ireo teny fanamelohana rehetra nosoratana momba an\u2019i Babylona.",
"61": "Ary hoy i Jeremia tamin\u2019i Seraia: \u201cRehefa tonga any Babylona ianao ka mahita an\u2019ilay tan\u00e0na, dia vakio mafy ireo teny rehetra ireo.",
"62": "Dia izao lazaina: \u2018Jehovah\u00a0\u00f4, efa nanameloka an\u2019ity toerana ity ianao ka nilaza hoe ho rava sy tsy hisy honina intsony eto, na olona na biby, ary ho tan\u00e0na aolo mandrakizay izy.\u2019",
"63": "Ary rehefa voavakinao ity boky ity, dia afatory amin\u2019ny vato ka atsipazo eo afovoan\u2019ny Reniranon\u2019i Eofrata.",
"64": "Dia izao tenenina: \u2018Toy izao no hilentehan\u2019i Babylona ka tsy hipoirany intsony mihitsy, satria hahatonga loza aminy aho. Ho reraka fotsiny izy ireo.\u2019\u201d Mifarana eto ny tenin\u2019i Jeremia."
},
"52": {
"1": "Lasa mpanjaka i Zedekia tamin\u2019izy 21\u00a0taona, ary nanjaka 11\u00a0taona tany Jerosalema izy. Hamotala no anaran-dreniny, ary zanak\u2019i Jeremia avy any Libna izy io.",
"2": "Nanao izay ratsy teo imason\u2019i Jehovah foana i Zedekia, hoatran\u2019izay rehetra nataon\u2019i Joiakima.",
"3": "Nanjo an\u2019i Jerosalema sy Joda izany, satria tezitra tamin\u2019izy ireo i Jehovah. Nesoriny tsy ho eo imasony \u00e0ry izy ireo tamin\u2019ny farany. Ary nikomy tamin\u2019ny mpanjakan\u2019i Babylona i Zedekia.",
"4": "Tamin\u2019ny andro fahafolon\u2019ny volana fahafolo, tamin\u2019ny taona fahasivy nanjakan\u2019i Zedekia, dia tonga hanafika an\u2019i Jerosalema i Nebokadnezara mpanjakan\u2019i Babylona sy ny tafiny manontolo. Dia nitoby teo akaikin\u2019i Jerosalema izy ireo, ka nanangana manda nanodidina azy.",
"5": "Ary natao fahirano ilay tan\u00e0na, hatramin\u2019ny taona faha-11 nanjakan\u2019i Zedekia Mpanjaka.",
"6": "Tena mafy ny mosary tao amin\u2019ilay tan\u00e0na tamin\u2019ny andro fahasivin\u2019ny volana fahefatra, ka tsy nanan-kohanina intsony ny vahoaka.",
"7": "Voagorobaka ny mandan\u2019ilay tan\u00e0na tamin\u2019ny farany, ka nivoaka nandositra teo amin\u2019ilay vavahady teo anelanelan\u2019ny manda roa sosona, teo akaikin\u2019ny zaridainan\u2019ny mpanjaka, ny miaramila rehetra raha mbola alina ny andro. Mbola nanodidina ny tan\u00e0na ny Kaldeanina tamin\u2019izay. Ary nandeha tamin\u2019ny lalana mankany Araba ireo miaramila.",
"8": "Nenjehin\u2019ny miaramila kaldeanina anefa i Zedekia Mpanjaka, ka tratrany teny amin\u2019ny lemaka karakaina any Jeriko. Koa niparitaka nandao azy daholo ny miaramilany.",
"9": "Dia nosamborin\u2019ny Kaldeanina ny mpanjaka, ka nentiny niakatra tany amin\u2019ny mpanjakan\u2019i Babylona tao Ribla, tany Hamata. Ary nisy didim-pitsarana navoakany momba azy.",
"10": "Dia novonoin\u2019ny mpanjakan\u2019i Babylona teo imason\u2019i Zedekia ireo zanany lahy. Novonoiny tao Ribla daholo koa ny andrianan\u2019i Joda.",
"11": "Dia nopotsirin\u2019ny mpanjakan\u2019i Babylona ny mason\u2019i Zedekia. Ary nofatorany tamin\u2019ny gadra varahina izy, ka nentiny tany Babylona, dia nataony am-ponja mandra-pahafatiny.",
"12": "Tamin\u2019ny andro fahafolon\u2019ny volana fahadimy, izany hoe tamin\u2019ny taona faha-19 nanjakan\u2019i Nebokadnezara mpanjakan\u2019i Babylona, dia tonga tao Jerosalema i Nebozaradana lehiben\u2019ny mpiambina ny mpanjakan\u2019i Babylona sady mpanompony.",
"13": "Dia nodorany ny tranon\u2019i Jehovah sy ny tranon\u2019ny mpanjaka ary ny trano rehetra tao Jerosalema. Nodorany koa ny trano lehibe rehetra.",
"14": "Ary narodan\u2019ny tafiky ny Kaldeanina manontolo, izay niaraka tamin\u2019ilay lehiben\u2019ny mpiambina, ny manda manodidina an\u2019i Jerosalema.",
"15": "Dia nentin\u2019i Nebozaradana, lehiben\u2019ny mpiambina, ny olona sasany ambany saranga sy ny vahoaka sisa tao an-tan\u00e0na, ka nataony sesitany. Nentiny koa ireo efa nitolo-batana tany amin\u2019ny mpanjakan\u2019i Babylona, ary ny sisa tamin\u2019ireo mpanao asa tanana tena mahay.",
"16": "Navelan\u2019i Nebozaradana, lehiben\u2019ny mpiambina, tao amin\u2019ilay tany kosa ny sasany tamin\u2019ireo mahantra faraidiny, mba hikarakara tanimboaloboka sy hanao asa an-terivozona.",
"17": "Ary nopotipotehin\u2019ny Kaldeanina ireo andry varahina teo amin\u2019ny tranon\u2019i Jehovah, sy ireo kalesy, ary ilay Ranomasina varahina tao an-tranon\u2019i Jehovah. Dia nentin\u2019izy ireo tany Babylona ny varahina rehetra tamin\u2019ireny.",
"18": "Nalainy koa ny fitoeran-davenona, ny lapelina, ny famonoan-jiro, ny vilia baolina, ny kaopy, ary ny fitaovana varahina rehetra nampiasaina tamin\u2019ny fanompoana tao amin\u2019ny tempoly.",
"19": "Nalain\u2019ilay lehiben\u2019ny mpiambina ny kovetabe, ny fitondrana afo, ny vilia baolina, ny fitoeran-davenona, ny fitoeran-jiro, ny kaopy, ary ny vilia baolina hafa, izay tena volamena sy tena volafotsy daholo.",
"20": "Efa tsy voalanja intsony ny varahina tamin\u2019ny fitaovana rehetra, izany hoe tamin\u2019ny andry roa, sy tamin\u2019ilay Ranomasina, sy tamin\u2019ireo omby varahina 12 teo ambanin\u2019ilay Ranomasina, ary tamin\u2019ireo kalesy nataon\u2019i Solomona Mpanjaka ho an\u2019ny tranon\u2019i Jehovah.",
"21": "Nirefy 18\u00a0hakiho ny haavon\u2019ny andry tsirairay, ary tady 12\u00a0hakiho vao nahodidina ny iray. Poakaty ilay izy ary voantondro efatra ny hatevin\u2019ny varahina taminy.",
"22": "Varahina ny loha andry teo amboniny, ary dimy hakiho ny haavon\u2019ny loha andry iray. Varahina daholo ny haingony hoatran\u2019ny harato sy ny ampongabendanitra nanodidina ny loha andry. Hoatr\u2019izany koa ilay andry faharoa sy ireo ampongabendanitra.",
"23": "Nisy 96 ny ampongabendanitra teo ivelany. Tamin\u2019ny fitambarany, dia nisy ampongabendanitra 100 nanodidina an\u2019ilay harato.",
"24": "Nalain\u2019ilay lehiben\u2019ny mpiambina koa i Seraia lehiben\u2019ny mpisorona sy Zefania mpisorona lefitra ary ireo olona telo mpiandry varavarana.",
"25": "Ireto kosa no nalainy avy tao an-tan\u00e0na: Tandapa iray nifehy ny miaramila; olona fito mpiara-miasa akaiky tamin\u2019ny mpanjaka, izay hita tao an-tan\u00e0na; ny mpitan-tsoratry ny lehiben\u2019ny tafika, izany hoe ilay mpanangona vahoaka; ary 60\u00a0lahy teo amin\u2019ny sarambabem-bahoaka izay mbola hita tao an-tan\u00e0na.",
"26": "Nalain\u2019i Nebozaradana, lehiben\u2019ny mpiambina, izy ireo ka nentiny tany amin\u2019ny mpanjakan\u2019i Babylona tao Ribla.",
"27": "Dia namely azy ireo ny mpanjakan\u2019i Babylona, ka namono azy ho faty tao Ribla, tany Hamata. Nesorina tamin\u2019ny taniny \u00e0ry ny Joda ka natao sesitany.",
"28": "Ireto avy ny olona nataon\u2019i Nebokadnezara sesitany: Jiosy 3\u00a0023, tamin\u2019ny taona fahafito nanjakany.",
"29": "Olona 832 no nalaina avy tao Jerosalema, tamin\u2019ny taona faha-18 nanjakan\u2019i Nebokadnezara.",
"30": "Jiosy 745 no nentin\u2019i Nebozaradana lehiben\u2019ny mpiambina natao sesitany, tamin\u2019ny taona faha-23 nanjakan\u2019i Nebokadnezara. Nisy 4\u00a0600 ny fitambaran\u2019ny olona rehetra natao sesitany.",
"31": "Tamin\u2019ny taona faha-37 nanaovana sesitany an\u2019i Joiakina mpanjakan\u2019ny Joda, tamin\u2019ny andro faha-25 amin\u2019ny volana faha-12, tamin\u2019ny taona naha lasa mpanjaka an\u2019i Evila-merodaka mpanjakan\u2019i Babylona, dia nafahany i Joiakina mpanjakan\u2019ny Joda ka navoakany avy tao am-ponja.",
"32": "Tsara fanahy taminy i Evila-merodaka, ary nomeny toerana ambony noho ireo mpanjaka hafa niaraka taminy tany Babylona i Joiakina.",
"33": "Nesorin\u2019i Joiakina \u00e0ry ny fitafiana nanaovany tao am-ponja, ary niara-nisakafo tamin\u2019ny mpanjaka foana izy, nandritra ny androm-piainany.",
"34": "Ary nomena anjara sakafo tsy tapaka avy tamin\u2019ny mpanjakan\u2019i Babylona izy isan\u2019andro, nandritra ny androm-piainany, mandra-pahafatiny."
},
"meta": {
"name": "Jeremia",
"order": 23,
"chapter_number": 52
}
}