mg-bibles
Version:
A package for accessing Bible verses in Malagasy (MG), Diem, King James (KJV), and Louis Segond (APEE) versions
868 lines • 129 kB
JSON
{
"1": {
"1": "Efa tany am-piandohana ny Teny. Niaraka tamin\u2019Andriamanitra ny Teny, ary ny Teny dia andriamanitra.",
"2": "Niaraka tamin\u2019Andriamanitra izy tany am-piandohana.",
"3": "Izy no nampiasaina hampisy ny zava-drehetra, ary na zavatra iray aza tsy ho nisy raha tsy tamin\u2019ny alalany. Ny zavatra nisy",
"4": "tamin\u2019ny alalany dia ny fiainana, ary ny fiainana no hazavana ho an\u2019ny olona.",
"5": "Mamirapiratra ao anatin\u2019ny haizina ny hazavana, nefa tsy maharesy azy ny haizina.",
"6": "Ary nisy lehilahy iray nirahina ho solontenan\u2019Andriamanitra. Jaona no anarany.",
"7": "Tonga mba ho vavolombelona hanambara an\u2019ilay hazavana izy, mba ho amin\u2019ny alalany no hinoan\u2019ny karazan\u2019olona rehetra.",
"8": "Tsy i Jaona ilay hazavana, fa nirahina ho vavolombelona hanambara an\u2019ilay hazavana fotsiny izy.",
"9": "Efa ho tonga teo amin\u2019izao tontolo izao ilay tena hazavana, izay manazava ny karazan\u2019olona rehetra.",
"10": "Teo amin\u2019izao tontolo izao izy, ary izy no nampiasaina mba hampisy an\u2019izao tontolo izao. Tsy nahalala azy anefa izao tontolo izao.",
"11": "Tonga tao amin\u2019ny tany niaviany izy, nefa tsy nandray azy ny olona tao.",
"12": "Izay rehetra tena nandray azy kosa nomeny alalana ho lasa zanak\u2019Andriamanitra, satria nino ny anarany.",
"13": "Ary nateraka izy ireo, nefa tsy nateraky ny nofo sy ra, na nateraka noho ny sitrapon\u2019ny ray olombelona, fa naterak\u2019Andriamanitra.",
"14": "Lasa nofo aman-dra \u00e0ry ny Teny, ary nonina tet\u1ef3 aminay. Hitanay ny voninahiny, dia voninahitra tahaka ny an\u2019ny zanaka lahitokan\u2019ny ray. Tena nankasitrahan\u2019Andriamanitra izy ary nampianatra ny fahamarinana.",
"15": "\u2014Nanome porofo momba azy i Jaona, dia niantsoantso hoe: \u201cIzy ilay nolazaiko hoe: Lasa eo alohako ilay ho avy ao aorianako, satria efa nisy talohako izy.\u2019\u201d\u2014",
"16": "Feno hatsaram-panahy miavaka izy, ka nanehoana hatsaram-panahy miavaka foana koa isika.",
"17": "Nomena tamin\u2019ny alalan\u2019i Mosesy ny Lal\u00e0na, fa tamin\u2019ny alalan\u2019i Jesosy Kristy kosa no nanehoana ny hatsaram-panahy miavaka sy ny fahamarinana.",
"18": "Mbola tsy nisy nahita an\u2019Andriamanitra mihitsy, fa ilay hany andriamanitra nateraka, izay eo akaikin\u2019ny Ray, no nanazava ny momba Azy.",
"19": "Izao no fanambarana nataon\u2019i Jaona, rehefa nisy mpisorona sy Levita avy any Jerosalema nirahin\u2019ny Jiosy hanontany azy hoe: \u201cIza moa ianao?\u201d",
"20": "Dia nitsotra izy fa tsy nanda, ka niteny hoe: \u201cTsy Kristy aho.\u201d",
"21": "Dia nanontany azy izy ireo hoe: \u201cIza \u00e0ry\u00a0e? I Elia ve?\u201d Ary hoy izy: \u201cTsy izy aho.\u201d \u201cSa ianao ilay Mpaminany?\u201d Dia hoy izy: \u201cTsy izy aho!\u201d",
"22": "Hoy izy ireo: \u201cIza \u00e0ry ianao\u00a0e? Teneno anay mba hisy holazainay any amin\u2019izay naniraka anay. Lazao anay ny momba anao.\u201d",
"23": "Dia hoy izy: \u201cIzaho ilay miantsoantso any an-tany efitra hoe: \u2018Ataovy mahitsy ny lalana halehan\u2019i Jehovah\u2019, araka ny nolazain\u2019i Isaia mpaminany.\u201d",
"24": "Nirahin\u2019ny Fariseo izy ireo,",
"25": "ka nanontany azy hoe: \u201cKoa maninona ianao no manao batisa raha tsy ianao no Kristy, na Elia, na Ilay Mpaminany?\u201d",
"26": "Dia hoy i Jaona: \u201cIzaho manao batisa amin\u2019ny rano. Fa efa eo aminareo kosa ny olona iray tsy fantatrareo.",
"27": "Izy ilay ho avy ao aorianako, ary tsy mendrika hamaha ny tadin-kapany akory aza aho.\u201d",
"28": "Tany Betania izany no nitranga, teny ampitan\u2019ny Reniranon\u2019i Jordana, izay nanaovan\u2019i Jaona batisa.",
"29": "Ny ampitson\u2019iny, dia hitany nanatona azy i Jesosy, ka hoy izy: \u201cIny ilay Zanak\u2019ondrin\u2019Andriamanitra izay manala ny fahotan\u2019izao tontolo izao!",
"30": "Izy ilay nolazaiko hoe: \u2018Misy olona ho avy ao aorianako, nefa lasa eo alohako izy, satria efa nisy talohako.\u2019",
"31": "Izaho aza tsy nahalala azy akory, fa mba hampisehoana azy amin\u2019ny Israely no antony anaovako batisa amin\u2019ny rano.\u201d",
"32": "Izao koa no porofo nomen\u2019i Jaona: \u201cHitako nidina toy ny voromailala avy any an-danitra ny fanahy, dia nijanona teo amboniny.",
"33": "Izaho aza tsy nahalala azy akory, fa Ilay naniraka ahy hanao batisa amin\u2019ny rano no nilaza tamiko hoe: \u2018Izay olona hitanao idinan\u2019ny fanahy sy ijanonany, dia izy ilay manao batisa amin\u2019ny fanahy masina.\u2019",
"34": "Efa hitako izany, ka manaporofo aho fa izy no Zanak\u2019Andriamanitra.\u201d",
"35": "Ny ampitson\u2019iny indray, tamin\u2019i Jaona mbola nijoro niaraka tamin\u2019ny mpianany roa lahy,",
"36": "dia nahita an\u2019i Jesosy nandalo izy, ka niteny hoe: \u201cIny ilay Zanak\u2019ondrin\u2019Andriamanitra!\u201d",
"37": "Rehefa naheno azy niteny an\u2019izany ireo mpianatra roa lahy ireo, dia nanaraka an\u2019i Jesosy.",
"38": "Dia nitodika i Jesosy, ka nahita azy ireo nanaraka azy, dia nanontany hoe: \u201cInona no tadiavinareo?\u201d Hoy ireo: \u201cAiza ianao no mipetraka, Raby\u00a0\u00f4?\u201d\u2014raha adika izany dia hoe \u201cMpampianatra\u00a0\u00f4\u201d\u2014",
"39": "Hoy izy: \u201cAvia dia ho hitanareo.\u201d Dia nandeha izy roa lahy ka nahita an\u2019izay nipetrahany, ary nipetraka tao aminy tamin\u2019iny andro iny. Tamin\u2019ny ora fahafolo teo ho eo tamin\u2019izay.",
"40": "I Andrea, rahalahin\u2019i Simona Petera, ny iray tamin\u2019ireo roa lahy naheno ny tenin\u2019i Jaona ka nanaraka an\u2019i Jesosy.",
"41": "Tonga\u00a0dia nankany amin\u2019i Simona rahalahiny i Andrea, dia niteny taminy hoe: \u201cEfa hitanay ny Mesia!\u201d\u2014raha adika izany dia hoe \u201cKristy.\u201d\u2014",
"42": "Dia nentiny tany amin\u2019i Jesosy izy. Nijery azy i Jesosy sady niteny hoe: \u201cRy\u00a0Simona zanak\u2019i Jaona, manomboka izao ianao dia hantsoina hoe Kefasy\u201d\u2014raha adika izany dia hoe \u201cPetera.\u201d\u2014",
"43": "Te ho any Galilia i Jesosy ny ampitson\u2019iny. Dia nahita an\u2019i Filipo izy, ka niteny hoe: \u201cAndao hanara-dia ahy.\u201d",
"44": "Avy any Betsaida, tan\u00e0nan\u2019i Andrea sy Petera, no fiavian\u2019i Filipo.",
"45": "Nahita an\u2019i Natanaela i Filipo, ka hoy izy: \u201cEfa hitanay ilay olona noresahin\u2019i Mosesy ao amin\u2019ny Lal\u00e0na sy noresahin\u2019ny Mpaminany, dia i Jesosy zanak\u2019i Josefa, avy any Nazareta.\u201d",
"46": "Hoy anefa i Natanaela: \u201cAngaha moa mba misy zavatra tsara avy any Nazareta?\u201d Hoy i Filipo: \u201cAvia ange jereo\u00a0e!\u201d",
"47": "Ary hitan\u2019i Jesosy nanatona azy i Natanaela, ka hoy izy momba azy: \u201cIzany ka tena Israelita, sady olona tsy misy fitaka!\u201d",
"48": "Dia hoy i Natanaela: \u201cAhoana no ahafantaranao ahy?\u201d Namaly azy i Jesosy hoe: \u201cEfa hitako ianao talohan\u2019ny niantsoan\u2019i Filipo anao, tamin\u2019ianao teo ambany aviavy.\u201d",
"49": "Ary hoy i Natanaela: \u201cRaby\u00a0\u00f4, Zanak\u2019Andriamanitra ianao! Mpanjakan\u2019ny Israely ianao.\u201d",
"50": "Dia hoy i Jesosy: \u201cLasa mino ve ianao satria niteny aho hoe hitako teo ambany aviavy ianao? Mbola hahita zavatra lehibe noho izany aza ianao.\u201d",
"51": "Hoy koa izy: \u201cLazaiko marimarina aminareo fa hahita ny lanitra misokatra ianareo, dia hahita ny anjelin\u2019Andriamanitra miakatra sy midina mankat\u1ef3 amin\u2019ny Zanak\u2019olona.\u201d"
},
"2": {
"1": "Tamin\u2019ny andro fahatelo, dia nisy fanasambe tao Kana, any Galilia, fa nisy fampakaram-bady. Tao amin\u2019io fanasambe io ny renin\u2019i Jesosy.",
"2": "Nasaina ho any amin\u2019ilay fanasambe tamin\u2019io fampakaram-bady io koa i Jesosy sy ny mpianany.",
"3": "Rehefa lany ny divay, dia hoy ny renin\u2019i Jesosy taminy: \u201cTsy manana divay intsony ry zareo.\u201d",
"4": "Hoy anefa i Jesosy: \u201cAleo isika tsy miditra amin\u2019izany, ravehivavy. Mbola tsy fotoana tokony hanaovako zavatra izao.\u201d",
"5": "Hoy ny reniny tamin\u2019ireo mpanompo: \u201cAtaovy daholo izay teneniny anareo.\u201d",
"6": "Ary nisy sinibe vato enina fitoeran-drano teo. Nilaina mantsy izany araka ny lal\u00e0na momba ny fidiovana narahin\u2019ny Jiosy. Indroa na intelon\u2019ny siny no nahafeno ny sinibe tsirairay.",
"7": "Hoy i Jesosy tamin\u2019ny mpanompo: \u201cFenoy rano ireo sinibe ireo.\u201d Dia nofenoin\u2019ireo hatreo amin\u2019ny molony izany.",
"8": "Hoy i Jesosy avy eo: \u201cTovozy amin\u2019izay, dia itondray ny mpiandraikitra ny fanasana.\u201d Nentin\u2019ireo tany aminy \u00e0ry ilay izy.",
"9": "Ary nanandrana an\u2019ilay rano niova ho divay ilay mpiandraikitra, nefa tsy fantany hoe avy aiza ilay izy\u2014fa ireo mpanompo nanovo ny rano no nahafantatra.\u2014Dia nantsoin\u2019ilay mpiandraikitra ilay mpampakatra,",
"10": "ka hoy izy taminy: \u201cNy an\u2019ny olona rehetra, ny divay tsara aloha no aroso, ary rehefa mamo ny olona vao aroso ny ratsiratsy. Ny anao indray ny divay tsara no notehirizinao hatramin\u2019izao.\u201d",
"11": "Tany Kana, any Galilia, i Jesosy no nanao fahagagana voalohany. Ary nasehony ny voninahiny ka nino azy ny mpianany.",
"12": "Taorian\u2019izay, dia nidina nankany Kapernaomy izy sy ny reniny sy ny rahalahiny ary ny mpianany, nefa tsy nijanona ela tany.",
"13": "Efa akaiky ny Paskan\u2019ny Jiosy, ka niakatra tany Jerosalema i Jesosy.",
"14": "Ary nahita olona nivarotra omby aman\u2019ondry sy voromailala tao amin\u2019ny tempoly izy, sady nahita mpanakalo vola samy nipetraka teny amin\u2019ny sezany.",
"15": "Nanamboatra karavasy tady \u00e0ry izy, ka noroahiny tao amin\u2019ny tempoly daholo izy rehetra, niaraka tamin\u2019ireo ondry sy omby. Nararany koa ny vola madiniky ny mpanakalo vola sady nazerany ny latabatr\u2019ireny.",
"16": "Ary hoy izy tamin\u2019ireo nivarotra voromailala: \u201cEnto mivoaka any ireo! Aza atao trano fivarotana intsony ny tranon\u2019ny Raiko!\u201d",
"17": "Dia tadidin\u2019ny mpianany ilay voasoratra hoe: \u201cHiredareda ato anatiko ny hafanam-poko ho an\u2019ny tranonao.\u201d",
"18": "Hoy \u00e0ry ny Jiosy: \u201cInona no famantarana hasehonao anay, no dia manao an\u2019izao ianao?\u201d",
"19": "Dia namaly i Jesosy hoe: \u201cRavao ity tempoly ity, dia hatsangako ao anatin\u2019ny telo andro.\u201d",
"20": "Hoy ny Jiosy: \u201cEfa 46\u00a0taona ange ity tempoly ity vao vita\u00a0e! Dia ianao ve dia hahatsangana azy ao anatin\u2019ny telo andro?\u201d",
"21": "Ny vatany anefa no tiany holazaina tamin\u2019ilay hoe tempoly.",
"22": "Rehefa natsangana tamin\u2019ny maty izy, dia tadidin\u2019ny mpianany fa efa nilaza an\u2019izany matetika izy. Lasa nino an\u2019izay voalazan\u2019ny Soratra Masina sy izay efa notenenin\u2019i Jesosy \u00e0ry izy ireo.",
"23": "Be dia be no lasa nino ny anarany rehefa nahita ny famantarana nataony, tamin\u2019izy tany Jerosalema tamin\u2019ny fetin\u2019ny Paska.",
"24": "Tsy natoky an\u2019ireny anefa i Jesosy, satria fantany daholo izy rehetra.",
"25": "Izy koa tsy nila na iza na iza hilaza aminy an\u2019izay tao an-tsain\u2019ny olona, fa efa fantany ny tao am-pon\u2019ny olona."
},
"3": {
"1": "Nisy lehilahy iray anisan\u2019ny Fariseo. Nikodemosy no anarany, ary mpitondra teo amin\u2019ny Jiosy izy.",
"2": "Tonga tao amin\u2019i Jesosy izy rehefa alina, ka niteny taminy hoe: \u201cRaby\u00a0\u00f4, fantatray fa mpampianatra nirahin\u2019Andriamanitra ianao, satria tsy misy mahavita an\u2019ireny famantarana nataonao ireny raha tsy ampian\u2019Andriamanitra.\u201d",
"3": "Dia hoy i Jesosy: \u201cLazaiko marimarina aminao fa tsy misy olona afaka mahita ny Fanjakan\u2019Andriamanitra, raha tsy ateraka indray.\u201d",
"4": "Hoy i Nikodemosy: \u201cHataon\u2019ny olona ahoana no hateraka indray rehefa antitra izy? Angaha moa izy afaka miditra ao an-kibon-dreniny indray mba hateraka?\u201d",
"5": "Dia hoy i Jesosy: \u201cLazaiko marimarina aminao fa tsy misy olona afaka miditra ao amin\u2019ny Fanjakan\u2019Andriamanitra, raha tsy ateraky ny rano sy ny fanahy.",
"6": "Izay nateraky ny nofo dia nofo, fa izay nateraky ny fanahy kosa dia fanahy.",
"7": "Aza gaga raha nilaza taminao aho hoe: Tsy maintsy hateraka indray ianareo.",
"8": "Mitsoka any amin\u2019izay tiany ny rivotra, ary henonao ny feony, nefa tsy fantatrao hoe avy aiza ilay izy, na ho aiza. Dia hoatr\u2019izany koa izay rehetra ateraky ny fanahy.\u201d",
"9": "Ary hoy i Nikodemosy: \u201cAhoana no hampety an\u2019izany?\u201d",
"10": "Dia hoy i Jesosy: \u201cMpampianatra eo amin\u2019ny Israely ve ianao, dia tsy mahafantatra an\u2019izany?",
"11": "Lazaiko marimarina aminao fa izay fantatray no teneninay ary izay efa hitanay no ambaranay, fa ianareo no tsy nandray an\u2019izany.",
"12": "Raha ny zavatra et\u1ef3 an-tany aza no noresahiko taminareo nefa mbola tsy mino ihany ianareo, dia hino ve ianareo raha ny zavatra any an-danitra no resahiko aminareo?",
"13": "Ankoatra izany, dia tsy nisy niakatra tany an-danitra afa-tsy ilay nidina avy tany, dia ny Zanak\u2019olona.",
"14": "Hoatran\u2019ny nanandratan\u2019i Mosesy an\u2019ilay bibilava tany an-tany efitra koa no tsy maintsy anandratana ny Zanak\u2019olona,",
"15": "mba hahazo fiainana mandrakizay izay rehetra mino azy.",
"16": "\u201cFa tena tia an\u2019izao tontolo izao Andriamanitra ka nanome an\u2019ilay Zanany lahitokana, mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hahazo fiainana mandrakizay.",
"17": "Tsy ny hanameloka an\u2019izao tontolo izao no nanirahan\u2019Andriamanitra ny Zanany ho amin\u2019izao tontolo izao, fa ny hamonjy an\u2019izao tontolo izao amin\u2019ny alalany.",
"18": "Tsy homelohina izay maneho finoana ny Zanaka. Efa voaheloka sahady kosa izay tsy maneho finoana azy, satria tsy naneho finoana ny anaran\u2019ilay Zanaka Lahitokan\u2019Andriamanitra.",
"19": "Izao no antony anamelohana ny olona: Tonga teo amin\u2019izao tontolo izao ny mazava, saingy naleon\u2019ny olona ny haizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny ataony.",
"20": "Fa izay zatra manao ratsy dia mankahala ny mazava sady tsy manatona ny mazava, sao hibaribary ny ataony.",
"21": "Izay manao ny marina kosa manatona ny mazava mba haseho izay ataony, ka ho hita fa mifanaraka amin\u2019ny sitrapon\u2019Andriamanitra izany.\u201d",
"22": "Taorian\u2019izany dia nankany ambanivohitr\u2019i Jodia i Jesosy sy ny mpianany. Nijanona elaela tany niaraka tamin\u2019ny mpianany izy, sady nanao batisa.",
"23": "I Jaona koa anefa nanao batisa tao Ainona tany akaikin\u2019i Saleima, satria nisy rano\u00a0be tao. Dia tonga foana ny olona ka natao batisa.",
"24": "Mbola tsy nogadraina mantsy i Jaona tamin\u2019izay.",
"25": "Ary niady hevitra tamin\u2019ny Jiosy anankiray momba ny fidiovana ny mpianatr\u2019i Jaona.",
"26": "Tonga teo amin\u2019i Jaona \u00e0ry izy ireo, ka niteny hoe: \u201cRaby\u00a0\u00f4, hitanao moa ilay lehilahy noresahinao taminay iny, ilay niaraka taminao teny ampitan\u2019ny Reniranon\u2019i Jordana? Manao batisa izy izao, dia mankany aminy daholo ny olona.\u201d",
"27": "Dia hoy i Jaona: \u201cTsy misy mahazo na inona na inona, raha tsy nomena azy avy any an-danitra izany.",
"28": "Ianareo mihitsy no vavolombelona fa efa niteny aho hoe: \u2018Tsy izaho no Kristy, fa nirahina hialoha azy fotsiny aho.\u2019",
"29": "Izay manana ny ampakarina no mpampakatra. Faly be anefa ny naman\u2019ny mpampakatra rehefa mijoro eo akaikin\u2019ny mpampakatra ka maheno azy miteny. Koa efa feno izao ny fifaliako.",
"30": "Tsy maintsy mitombo ny asan\u2019iny olona iny, fa ny ahy kosa tsy maintsy mihena.\u201d",
"31": "Ilay avy any ambony dia ambonin\u2019ny hafa rehetra. Ilay avy eto an-tany kosa miresaka zavatra eto an-tany satria izy avy eto an-tany. Ilay avy any an-danitra dia ambonin\u2019ny hafa rehetra.",
"32": "Izay hitany sy henony no ambarany, nefa tsy misy manaiky an\u2019izany.",
"33": "Izay nanaiky ny fanambarany dia nanamafy hoe marina Andriamanitra.",
"34": "Fa ilay nirahin\u2019Andriamanitra no milaza ny tenin\u2019Andriamanitra. Tsy mba kahihitra mantsy Izy rehefa manome ny fanahiny.",
"35": "Tian\u2019ny Ray ny Zanaka ka nomeny teo am-pelatanany ny zava-drehetra.",
"36": "Izay maneho finoana ny Zanaka dia hahazo fiainana mandrakizay. Izay tsy mankat\u00f2 ny Zanaka kosa tsy hahazo fiainana, fa ho tezitra aminy foana Andriamanitra."
},
"4": {
"1": "Fantatry ny Tompo fa henon\u2019ny Fariseo hoe betsaka kokoa noho ny mpianatra azon\u2019i Jaona ny azon\u2019i Jesosy sy nataony batisa.\u2014",
"2": "Tsy i Jesosy anefa no nanao batisa fa ny mpianany.\u2014",
"3": "Koa rehefa fantany izany dia niala tany Jodia izy, ka nankany Galilia indray.",
"4": "Tsy maintsy nandalo tao Samaria anefa izy,",
"5": "ary tonga tao amin\u2019ny tan\u00e0na samaritanina atao hoe Sykara, teo akaikin\u2019ilay tany nomen\u2019i Jakoba an\u2019i Josefa zanany.",
"6": "Tao, raha ny marina, no nisy ny lavadranon\u2019i Jakoba. Reraky ny dia i Jesosy, ka nipetraka teo amin\u2019ilay lavadrano. Tamin\u2019ny ora fahenina teo ho eo tamin\u2019izay.",
"7": "Nisy vehivavy samaritanina iray tonga hantsaka. Hoy i Jesosy taminy: \u201cMba omeo rano aho hosotroiko.\u201d",
"8": "\u2014Fa lasa nividy sakafo tany an-tan\u00e0na ny mpianany.\u2014",
"9": "Dia hoy ilay vehivavy samaritanina: \u201cJiosy ve ianao dia mangataka rano amiko, nefa izaho vehivavy samaritanina?\u201d\u2014Tsy mifandray amin\u2019ny Samaritanina mantsy ny Jiosy.\u2014",
"10": "Dia hoy i Jesosy: \u201cRaha mba fantatrao mantsy ilay fanomezana maimaim-poana avy amin\u2019Andriamanitra, sy ilay miteny aminao hoe: \u2018Mba omeo rano aho hosotroiko\u2019, dia ianao no ho nangataka taminy, ka ho nomeny rano velona.\u201d",
"11": "Hoy ilay vehivavy: \u201cIanao aza, tompoko, tsy manana fanovozana akory sady lalina ny lavadrano, koa ahoana no anananao an\u2019izany rano velona izany?",
"12": "Ianao angaha lehibe noho i Jakoba razambenay? Izy no nanome anay an\u2019ity lavadrano ity, sady izy sy ny zanany ary ny biby fiompiny no nisotro teto?\u201d",
"13": "Dia namaly i Jesosy hoe: \u201cIzay misotro an\u2019ity rano ity dia mbola hangetaheta indray,",
"14": "fa izay misotro ny rano homeko azy kosa tsy hangetaheta intsony mihitsy. Fa ho loharano miboiboika ao anatiny ilay rano homeko azy, ka hanome azy fiainana mandrakizay.\u201d",
"15": "Hoy \u00e0ry ilay vehivavy: \u201cMba omeo an\u2019izany rano izany aho, tompoko, amin\u2019izay tsy hangetaheta na hiverimberina hantsaka eto intsony.\u201d",
"16": "Dia hoy izy: \u201cMandehana antsoy mankat\u1ef3 ny vadinao.\u201d",
"17": "\u201cTsy manambady aho\u201d, hoy ilay vehivavy. Dia hoy i Jesosy: \u201cMarina ny teninao hoe tsy manambady ianao.",
"18": "Fa efa nanana vady dimy ianao, ary tsy vadinao ilay lehilahy miara-mipetraka aminao izao. Koa marina ny teninao.\u201d",
"19": "Dia hoy ilay vehivavy: \u201cTena mpaminany ianao, tompoko.",
"20": "Nivavaka teto amin\u2019ity tendrombohitra ity ny razambenay, nefa ianareo milaza fa any Jerosalema ny olona no tokony hivavaka.\u201d",
"21": "Hoy i Jesosy: \u201cRavehivavy, minoa ahy ianao fa ho avy ny fotoana ka tsy ho eto amin\u2019ity tendrombohitra ity na any Jerosalema no hivavahanareo amin\u2019ny Ray.",
"22": "Mivavaka amin\u2019izay tsy fantatrareo ianareo, fa izahay kosa mivavaka amin\u2019izay fantatray, satria avy amin\u2019ny Jiosy ny famonjena.",
"23": "Na izany aza, ho avy ny fotoana, ary efa izao izany, ka ny tena mpivavaka hivavaka amin\u2019ny Ray araka ny fanahy sy ny fahamarinana. Fa olona hoatr\u2019izany mihitsy no tadiavin\u2019ny Ray mba hivavaka aminy.",
"24": "Andriamanitra dia Fanahy, ka izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka araka ny fanahy sy ny fahamarinana.\u201d",
"25": "Hoy ilay vehivavy: \u201cFantatro fa ho avy ny Mesia, ilay atao hoe Kristy, ary rehefa tonga izy, dia holazainy amintsika tsara daholo ny zava-drehetra.\u201d",
"26": "Dia hoy i Jesosy: \u201cIzaho izay miresaka aminao izao no izy.\u201d",
"27": "Tamin\u2019izay no tonga ny mpianany ka gaga, satria niresaka tamin\u2019ny vehivavy izy. Tsy nisy niteny taminy anefa hoe: \u201cFa misy zavatra ilainao angaha?\u201d, na hoe: \u201cFa maninona ianao no miresaka aminy?\u201d",
"28": "Navelan\u2019ilay vehivavy \u00e0ry ny sininy, dia lasa izy nankany an-tan\u00e0na ka niteny tamin\u2019ny olona tao hoe:",
"29": "\u201cAvia ange ianareo\u00a0e! Misy lehilahy izay ar\u1ef3, dia nolazainy tamiko daholo izay zavatra nataoko. Izy angamba no Kristy!\u201d",
"30": "Dia niala tao an-tan\u00e0na ireo ka nankany amin\u2019i Jesosy.",
"31": "Nandritra an\u2019izay fotoana izay, dia nampirisihin\u2019ny mpianany izy hoe: \u201cMihin\u00e0na, Raby\u00a0\u00f4!\u201d",
"32": "Hoy anefa izy: \u201cIzaho manana sakafo tsy fantatrareo.\u201d",
"33": "Nifanontany \u00e0ry ny mpianatra hoe: \u201cFa angaha nisy nitondra zavatra hohaniny teo?\u201d",
"34": "Hoy i Jesosy: \u201cNy sakafoko dia ny manao ny sitrapon\u2019Ilay naniraka ahy sy ny mahavita ny asany.",
"35": "Milaza ianareo hoe mbola misy efa-bolana vao ho tonga ny fijinjana, sa tsy izany? Izaho kosa milaza aminareo hoe: Jereo ange ny saha\u00a0e, fa efa masaka hojinjaina ny vokatra. Efa",
"36": "mahazo karama sahady ny mpijinja sady efa manangona vokatra ho amin\u2019ny fiainana mandrakizay, mba hiara-mifaly ny mpamafy sy ny mpijinja.",
"37": "Marina \u00e0ry ilay fitenenana hoe: Ny iray mpamafy, fa ny iray mpijinja.",
"38": "Naniraka anareo hijinja izay tsy nisasaranareo aho. Olon-kafa no nisasatra, nefa ianareo koa mba nahazo tamin\u2019izay nisasarany.\u201d",
"39": "Be dia be ny Samaritanina avy ao amin\u2019io tan\u00e0na io no lasa nino an\u2019i Jesosy, noho ilay vehivavy nijoro ho vavolombelona ka niteny hoe: \u201cNolazainy tamiko daholo izay zavatra nataoko.\u201d",
"40": "Rehefa tonga teo aminy \u00e0ry ny Samaritanina, dia nangataka azy mba hijanona teo amin\u2019izy ireo, ka nijanona tao roa andro izy.",
"41": "Vokatr\u2019izany, dia nisy olon-kafa be dia be koa nino noho ny tenin\u2019i Jesosy.",
"42": "Ary hoy izy ireo tamin\u2019ilay vehivavy: \u201cTsy noho ny teninao intsony fotsiny izao no mahatonga anay hino. Izahay mihitsy mantsy no naheno, ka fantatray fa io lehilahy io tokoa no mpamonjy an\u2019izao tontolo izao.\u201d",
"43": "Niala tao i Jesosy, rehefa afaka roa andro, ka nankany Galilia.",
"44": "\u2014Izy mihitsy anefa no nilaza fa tsy mba hajaina ny mpaminany raha ao amin\u2019ny taniny.\u2014",
"45": "Rehefa tonga tany Galilia \u00e0ry izy, dia nandray azy ny Galilianina, satria efa hitan\u2019izy ireo daholo ny zavatra nataony tany Jerosalema tamin\u2019ny andro fety. Efa tany amin\u2019ilay fety koa mantsy izy ireo.",
"46": "Tonga tany Kana any Galilia indray izy avy eo, tany amin\u2019ilay nanovany rano ho divay. Ary nisy tandapa nanana zanakalahy narary tany Kapernaomy.",
"47": "Henon\u2019io lehilahy io fa niala tany Jodia i Jesosy ary tonga tany Galilia. Dia nandeha tany amin\u2019i Jesosy izy, ka niangavy azy hidina any Kapernaomy mba hanasitrana an\u2019ilay zanany efa ho faty.",
"48": "Hoy anefa i Jesosy: \u201cTsy hino mihitsy ve izany ianareo, raha tsy mahita famantarana sy fahagagana?\u201d",
"49": "Dia hoy ilay tandapa: \u201cMba andao re, Tompo\u00a0\u00f4, dieny mbola tsy maty ny zanako.\u201d",
"50": "Hoy i Jesosy: \u201cMandehana fa velona ny zanakao.\u201d Nino ny tenin\u2019i Jesosy ilay lehilahy ka lasa nandeha.",
"51": "Tamin\u2019izy mbola teny an-dalana niverina hody iny, dia nitsena azy ny mpanompony ka niteny taminy hoe velona ilay zanany.",
"52": "Nanontaniany \u00e0ry izy ireo hoe tamin\u2019ny firy ilay zanany no nihatsara. Dia hoy izy ireo: \u201cOmaly tamin\u2019ny ora fahafito izy no tsy nanavy intsony.\u201d",
"53": "Dia fantatr\u2019ilay rainy fa tamin\u2019izay ora izay mihitsy i Jesosy no niteny taminy hoe: \u201cVelona ny zanakao.\u201d Lasa mpino \u00e0ry izy sy ny ankohonany manontolo.",
"54": "Izany no famantarana faharoa nataon\u2019i Jesosy tamin\u2019izy niala tany Jodia ka tonga tany Galilia."
},
"5": {
"1": "Nisy fetin\u2019ny Jiosy taorian\u2019izay, ka niakatra tany Jerosalema i Jesosy.",
"2": "Nisy dobo iray tany Jerosalema, teo akaikin\u2019ny Vavahadin\u2019ondry, ary Betizata no niantsoana azy amin\u2019ny teny hebreo. Nisy lala-mitafo dimy izy io.",
"3": "Be olona marary, jamba, malemy tongotra, ary kilemaina tao amin\u2019ireo lala-mitafo ireo.",
"4": "* \u2014\u2014",
"5": "Nisy lehilahy efa narary nandritra ny 38\u00a0taona koa tao.",
"6": "Nahita azy nitsotra teo i Jesosy, ary fantany hoe efa ela izy no narary, ka hoy izy taminy: \u201cTe ho sitrana ve ianao?\u201d",
"7": "Dia namaly ilay marary hoe: \u201cTsy mba misy olona manampy ahy hankao anaty dobo, tompoko, rehefa mihetsika ny rano. Rehefa handeha hankao iny anefa aho, dia misy misongona ka izy no tafidina alohako.\u201d",
"8": "Hoy i Jesosy: \u201cMitsang\u00e0na! Batao ny fandriananao dia mandehana.\u201d",
"9": "Tonga\u00a0dia sitrana ilay lehilahy, ka nobatainy ny fandrianany dia nanomboka nandeha izy. Sabata ny andro tamin\u2019izay.",
"10": "Hoy \u00e0ry ny Jiosy tamin\u2019ilay lehilahy sitrana: \u201cSabata androany, ka tsy azo atao izao mitondra fandriana izao.\u201d",
"11": "Hoy anefa izy tamin\u2019izy ireo: \u201cKa ilay nanasitrana ahy mihitsy ange no niteny tamiko hoe: \u2018Batao ny fandriananao dia mandehana\u2019\u00a0e!\u201d",
"12": "Dia nanontany ireo hoe: \u201cIza izany nilaza taminao izany hoe: \u2018Batao ny fandriananao dia mandehana\u2019?\u201d",
"13": "Tsy nahalala an\u2019i Jesosy anefa ilay lehilahy sitrana, satria efa lasa tany anaty vahoaka tany i Jesosy.",
"14": "Nahita azy tao amin\u2019ny tempoly i Jesosy taorian\u2019izay, ka niteny taminy hoe: \u201cEfa sitrana ianao izao, ka aza manota intsony sao hisy zavatra ratsy noho iny hahazo anao.\u201d",
"15": "Dia lasa ilay lehilahy niteny tamin\u2019ny Jiosy hoe i Jesosy no nanasitrana azy.",
"16": "Izany \u00e0ry no nahatonga ny Jiosy hanenjika an\u2019i Jesosy. Nanao an\u2019ireo zavatra ireo tamin\u2019ny Sabata mantsy izy.",
"17": "Hoy anefa izy: \u201cMiasa foana ny Raiko hatramin\u2019izao, dia izaho koa miasa foana.\u201d",
"18": "Ary vao mainka nitady hamono azy ny Jiosy. Nihevitra mantsy izy ireo fa tsy nitandrina ny Sabata izy sady niantso an\u2019Andriamanitra hoe Rainy, ka nanao ny tenany ho mitovy amin\u2019Andriamanitra.",
"19": "Dia hoy i Jesosy tamin\u2019izy ireo: \u201cLazaiko marimarina aminareo fa tsy manao na inona na inona araka izay tiany fotsiny ny Zanaka, fa izay hitany ataon\u2019ny Ray ihany no ataony. Fa izay rehetra ataon\u2019ny Ray dia izany koa no ataon\u2019ny Zanaka, sady ataony mitovy amin\u2019izay anaovan\u2019ny Ray azy.",
"20": "Tia an\u2019ilay Zanaka mantsy ny Ray, dia asehony an\u2019io Zanany io daholo ny zavatra ataony. Mbola hisy asa lehibe noho ireo aza hasehony azy, mba ho gaga ianareo.",
"21": "Fa atsangan\u2019ny Ray ny maty ka velominy indray, dia hoatr\u2019izany koa fa atsangan\u2019ny Zanaka izay tiany hatsangana.",
"22": "Tsy mitsara na iza na iza ny Ray, fa nankininy tamin\u2019ny Zanaka ny fitsarana rehetra.",
"23": "Amin\u2019izay dia hanome voninahitra ny Zanaka ny olona rehetra, toy ny anomezan\u2019izy ireo voninahitra ny Ray. Izay tsy manome voninahitra ny Zanaka, dia tsy manome voninahitra an\u2019ilay Ray naniraka azy.",
"24": "Lazaiko marimarina aminareo fa hahazo fiainana mandrakizay izay mihaino ny teniko ka mino an\u2019Ilay naniraka ahy. Ary tsy melohina izy satria hoatran\u2019ny hoe efa maty nefa velona indray.",
"25": "\u201cLazaiko marimarina aminareo fa ho avy ny fotoana, ary efa izao mihitsy ny fotoana handrenesan\u2019ny maty ny feon\u2019ny Zanak\u2019Andriamanitra, dia ho velona izay mihaino.",
"26": "Fa manana fahefana hanome fiainana ny Ray, dia nomeny fahefana hanome fiainana koa ny Zanaka.",
"27": "Ary nomeny fahefana hitsara izy, satria izy no Zanak\u2019olona.",
"28": "Aza gaga amin\u2019izany fa ho avy ny fotoana handrenesan\u2019izay rehetra any am-pasana ny feony,",
"29": "dia hivoaka izy ireo. Izay nanao ny tsara dia hatsangana mba hahazo fiainana, fa izay zatra nanao ratsy kosa hatsangana mba hotsaraina.",
"30": "Tsy afaka manao izay tiako aho, na inona izany na inona. Araka izay henoko ihany no itsarako, ary ara-drariny ny fitsarako, satria tsy ny sitrapoko no tiako hatao, fa ny sitrapon\u2019Ilay naniraka ahy.",
"31": "\u201cRaha izaho irery no mijoro ho vavolombelona manamarina ny tenako, dia tsy marina ny teniko.",
"32": "Misy hafa koa anefa manamarina ahy, ary fantatro fa marina izay lazainy momba ahy.",
"33": "Naniraka olona tany amin\u2019i Jaona ianareo, ary nilaza ny marina izy.",
"34": "Tsy miantehitra amin\u2019ny tenin\u2019olona anefa aho, fa milaza an\u2019izany rehetra izany mba ho voavonjy ianareo.",
"35": "Jiro nirehitra sy namirapiratra izany lehilahy izany, ary vetivety ihany ianareo no naniry hifalifaly tao amin\u2019ny fahazavany.",
"36": "Manana porofo lehibe noho ny porofo omen\u2019i Jaona anefa aho, satria ny asa nanendren\u2019ny Raiko ahy mihitsy izao no ataoko. Ary izany asa ataoko izany no manaporofo fa nirahin\u2019ny Ray aho.",
"37": "Ny Ray izay naniraka ahy mihitsy koa no nanome porofo momba ahy. Mbola tsy naheno ny feony mihitsy ianareo, sady mbola tsy nahita ny endriny.",
"38": "Ary tsy mba mijanona ao am-ponareo ny teniny, satria ianareo tsy mino an\u2019ilay nirahiny.",
"39": "\u201cMikaroka ao amin\u2019ny Soratra Masina ianareo, satria mieritreritra hoe amin\u2019ny alalan\u2019izy io no hahazoanareo fiainana mandrakizay, ary izy io mihitsy no manome porofo momba ahy.",
"40": "Tsy mety manatona ahy anefa ianareo mba hahazo fiainana.",
"41": "Tsy mandray voninahitra omen\u2019olona aho,",
"42": "nefa fantatro tsara fa tsy mba tia an\u2019Andriamanitra ianareo ao am-ponareo.",
"43": "Tonga tamin\u2019ny anaran\u2019ny Raiko mantsy aho, nefa tsy noraisinareo. Raha misy olona tonga amin\u2019ny anaran\u2019ny tenany anefa, dia horaisinareo.",
"44": "Ahoana moa no hinoanareo, nefa ianareo aza mandray voninahitra avy aminareo samy ianareo ihany, fa tsy mba mitady ny voninahitra avy amin\u2019ilay Andriamanitra tokana?",
"45": "Aza mieritreritra hoe hiampanga anareo any amin\u2019ny Ray aho. Misy olon-kafa miampanga anareo, dia i Mosesy, ilay nantenainareo.",
"46": "Raha nino an\u2019i Mosesy ianareo, dia ho nino ahy, satria nanoratra momba ahy i Mosesy.",
"47": "Fa raha tsy mino an\u2019izay nosoratany ianareo, ahoana moa no hinoanareo ny teniko?\u201d"
},
"6": {
"1": "Taorian\u2019izay, dia nankany ampitan\u2019ny Ranomasin\u2019i Galilia, na Ranomasin\u2019i Tiberiasy, i Jesosy.",
"2": "Ary nisy vahoaka be nanaraka azy teny foana, satria hitan\u2019izy ireo ny famantarana mahagaga nataony, tamin\u2019izy nanasitrana ny marary.",
"3": "Niakatra teo an-tendrombohitra \u00e0ry i Jesosy, dia nipetraka teo niaraka tamin\u2019ny mpianany.",
"4": "Efa akaiky ny Paska tamin\u2019izay, izany hoe ny fetin\u2019ny Jiosy.",
"5": "Rehefa nitazana i Jesosy, dia hitany fa nisy vahoaka be nanatona azy, ka hoy izy tamin\u2019i Filipo: \u201cAiza isika no hividy mofo hohanin\u2019ireo olona ireo?\u201d",
"6": "Fantany anefa izay efa hataony, fa mba te hitsapa an\u2019i Filipo izy.",
"7": "Dia hoy i Filipo: \u201cNa mofo azon\u2019ny 200\u00a0denaria aza ange mbola tsy ho ampy, na dia samy omena sombiny kely fotsiny aza ny olona\u00a0e!\u201d",
"8": "Ary hoy ny mpianany anankiray, dia i Andrea, rahalahin\u2019i Simona Petera:",
"9": "\u201cInt\u1ef3 misy ankizilahikely manana mofo dimy sy trondro madinika roa. Izany anefa ve dia ho ampy an\u2019ireo olona be dia be ireo?\u201d",
"10": "Hoy i Jesosy: \u201cAsaivo mipetraka ny olona.\u201d Be bozaka teo, ka nipetraka ny olona. Ary nisy lehilahy 5 000 teo ho eo tao amin\u2019ilay vahoaka.",
"11": "Nalain\u2019i Jesosy \u00e0ry ny mofo, dia nanao vavaka fisaorana izy, ary avy eo nozarainy tamin\u2019ireo olona nipetraka teo ilay izy. Hoatr\u2019izany koa no nataony tamin\u2019ny trondro madinika, ka samy nihinana an\u2019izay laniny ny olona.",
"12": "Rehefa voky izy ireo, dia hoy izy tamin\u2019ny mpianany: \u201cAngony ny sombintsombiny sisa tsy lany mba tsy hisy ho verivery fotsiny.\u201d",
"13": "Dia nangonin\u2019izy ireo izany, ka nahafeno harona 12 ny sombintsombiny sisa tsy lanin\u2019ny olona nihinana tamin\u2019ny mofo dimy.",
"14": "Rehefa hitan\u2019ny olona ny famantarana nataon\u2019i Jesosy, dia hoy izy ireo: \u201cIo mihitsy ilay Mpaminany ho tonga amin\u2019izao tontolo izao.\u201d",
"15": "Ary fantatr\u2019i Jesosy fa efa ho avy izy ireo haka azy an-keriny mba hatao mpanjaka. Dia niala teo izy ka nandeha nitokana tany an-tendrombohitra indray.",
"16": "Rehefa hariva ny andro, dia nidina nankeny an-dranomasina ny mpianany,",
"17": "ka nankao anaty sambokely ary niampita ny ranomasina mba ho any Kapernaomy. Efa maizina ny andro tamin\u2019izay, nefa mbola tsy tonga tany amin\u2019izy ireo ihany i Jesosy.",
"18": "Lasa nanonja be koa ny ranomasina, satria nifofofofo mafy ny rivotra.",
"19": "Rehefa nivoy tokony ho dimy na enina kilaometatra anefa izy ireo, dia hitany nandeha teo ambony ranomasina i Jesosy sady nanatona an\u2019ilay sambokely. Dia natahotra izy ireo.",
"20": "Hoy anefa i Jesosy: \u201cIzaho ihany ity ka! Aza matahotra!\u201d",
"21": "Dia faly er\u1ef3 izy ireo nampakatra azy tao anaty sambokely. Ary vetivety dia tonga tany amin\u2019izay tian\u2019izy ireo haleha ilay sambokely.",
"22": "Ny ampitson\u2019iny, dia hitan\u2019ilay vahoaka efa nijanona teny ampitan\u2019ny ranomasina fa efa tsy teo intsony ilay sambokely iray tavela teo. Efa nentin\u2019ny mpianatr\u2019i Jesosy ilay izy, nefa tsy niaraka tamin\u2019izy ireo i Jesosy.",
"23": "Nisy sambokely hafa avy tany Tiberiasy anefa tonga teo akaikin\u2019ilay toerana nihinanan\u2019izy ireo an\u2019ilay mofo nozarain\u2019ny Tompo taorian\u2019ny vavaka fisaorana.",
"24": "Rehefa hitan\u2019ilay vahoaka \u00e0ry fa samy tsy teo na i Jesosy na ny mpianany, dia niakatra tao amin\u2019ireo sambokely ireo izy ireo, ary nankany Kapernaomy mba hitady an\u2019i Jesosy.",
"25": "Rehefa hitany teny ampitan\u2019ny ranomasina izy, dia hoy izy ireo: \u201cRaby\u00a0\u00f4, fa oviana ianao no tonga teto?\u201d",
"26": "Dia hoy i Jesosy: \u201cLazaiko marimarina aminareo fa tsy hoe noho ianareo nahita famantarana no itadiavanareo ahy, fa satria ianareo nihinana mofo dia voky.",
"27": "Mias\u00e0, nefa tsy hoe mba hahazoana sakafo mety simba, fa mba hahazoana sakafo maharitra izay hahazoana fiainana mandrakizay, dia ny sakafo homen\u2019ny Zanak\u2019olona anareo. Fa izy no nasian\u2019Andriamanitra Ray tombo-kase hoe ankasitrahany.\u201d",
"28": "Hoy \u00e0ry ireo taminy: \u201cInona no tsy maintsy ataonay mba hanaovanay ny asan\u2019Andriamanitra?\u201d",
"29": "Dia namaly i Jesosy hoe: \u201cManao ny asan\u2019Andriamanitra ianareo raha maneho finoana an\u2019ilay nirahiny.\u201d",
"30": "Dia hoy ireo: \u201cInona \u00e0ry no famantarana ataonao mba ho hitanay, dia hino anao izahay? Inona no asa ataonao?",
"31": "Ny razambentsika mantsy nihinana ny mana tany an-tany efitra, araka ny voasoratra hoe: \u2018Mofo avy any an-danitra no nomeny hohanin\u2019izy ireo.\u2019\u201d",
"32": "Dia hoy i Jesosy: \u201cLazaiko marimarina aminareo fa tsy i Mosesy no nanome anareo an\u2019ilay mofo avy any an-danitra, fa ny Raiko no manome anareo ny tena mofo avy any an-danitra.",
"33": "Ilay midina avy any an-danitra sy manome fiainana ho an\u2019izao tontolo izao mantsy no mofon\u2019Andriamanitra.\u201d",
"34": "Hoy \u00e0ry izy ireo: \u201cTompo\u00a0\u00f4, omeo an\u2019izany mofo izany foana izahay!\u201d",
"35": "Hoy i Jesosy: \u201cIzaho no mofon\u2019aina. Izay manatona ahy dia tsy mba ho noana mihitsy, ary izay maneho finoana ahy tsy hangetaheta intsony mihitsy.",
"36": "Efa nahita ahy anefa ianareo fa tsy mino, araka ny efa noteneniko taminareo.",
"37": "Izay rehetra omen\u2019ny Ray ahy dia hanatona ahy, ary tsy mba horoahiko mihitsy izay manatona ahy.",
"38": "Tsy ny hanao ny sitrapoko mantsy no nidinako avy any an-danitra, fa ny hanao ny sitrapon\u2019Ilay naniraka ahy.",
"39": "Ary izao no sitrapon\u2019Ilay naniraka ahy: Tsy tokony havelako hisy ho very izay rehetra nomeny ahy, fa tokony hatsangako amin\u2019ny maty kosa amin\u2019ny andro farany.",
"40": "Fa ny sitrapon\u2019ny Raiko, dia hoe hahazo fiainana mandrakizay daholo izay manaiky ny Zanaka ka maneho finoana azy, ary hanangana azy amin\u2019ny maty aho amin\u2019ny andro farany.\u201d",
"41": "Dia nimenomenona ny Jiosy noho izy niteny hoe: \u201cIzaho no mofo nidina avy any an-danitra.\u201d",
"42": "Dia hoy izy ireo: \u201cAngaha moa tsy i Jesosy zanak\u2019i Josefa io\u00a0e? Fantatsika ny ray aman-dreniny, koa maninona izy izao no milaza hoe: \u2018Nidina avy any an-danitra aho\u2019?\u201d",
"43": "Dia namaly azy ireo i Jesosy hoe: \u201cAza mimenomenona ianareo.",
"44": "Tsy misy mahay manatona ahy raha tsy taomin\u2019ny Ray izay naniraka ahy. Ary hanangana azy amin\u2019ny maty aho amin\u2019ny andro farany.",
"45": "Voasoratra ao amin\u2019ny Mpaminany hoe: \u2018Ary hampianarin\u2019i Jehovah izy rehetra.\u2019 Izay nihaino ny Ray ka nianatra taminy, dia manatona ahy.",
"46": "Tsy nisy nahita ny Ray, afa-tsy ilay avy any amin\u2019Andriamanitra. Izy no nahita ny Ray.",
"47": "Lazaiko marimarina aminareo fa izay mino no hahazo fiainana mandrakizay.",
"48": "\u201cIzaho no mofon\u2019aina.",
"49": "Nihinana ny mana ny razambenareo tany an-tany efitra, nefa maty ihany.",
"50": "Ity kosa no mofo nidina avy any an-danitra mba ho afaka hihinana amin\u2019ity ny olona, ka tsy ho faty.",
"51": "Izaho no mofo velona nidina avy any an-danitra. Izay mihinana amin\u2019ity mofo ity dia ho velona mandrakizay. Ny mofo homeko dia ny nofoko, mba hahazoan\u2019izao tontolo izao fiainana.\u201d",
"52": "Dia niady hevitra ny Jiosy, ka niteny hoe: \u201cAhoana koa no anomezan\u2019io lehilahy io ny nofony mba hohanintsika?\u201d",
"53": "Hoy \u00e0ry i Jesosy: \u201cLazaiko marimarina aminareo fa raha tsy mihinana ny nofon\u2019ny Zanak\u2019olona sy misotro ny rany ianareo, dia tsy hahazo fiainana.",
"54": "Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako dia hahazo fiainana mandrakizay, ary hanangana azy amin\u2019ny maty aho amin\u2019ny andro farany.",
"55": "Fa tena sakafo ny nofoko, ary tena fisotro ny rako.",
"56": "Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako dia tafaray foana amiko, ary izaho koa tafaray aminy.",
"57": "Velona ny Ray izay naniraka ahy, ary velona aho noho ny Ray. Hoatr\u2019izany koa fa izay mihinana ahy dia ho velona noho ny amiko.",
"58": "Ity no mofo nidina avy any an-danitra. Tsy hoatran\u2019ilay mofo nohanin\u2019ny razambenareo izy ity, satria maty ihany ry\u00a0zareo. Izay mihinana an\u2019ity mofo ity kosa ho velona mandrakizay.\u201d",
"59": "Nilaza an\u2019izany izy, tamin\u2019izy nampianatra tao amin\u2019ny synagoga iray tany Kapernaomy.",
"60": "Rehefa naheno an\u2019izany ny mpianany, dia be dia be no niteny hoe: \u201cManafintohina izany teny izany. Iza koa no hihaino an\u2019izany?\u201d",
"61": "Fantatr\u2019i Jesosy tany an-tsainy tany anefa fa nimenomenona momba an\u2019izany ny mpianany, ka hoy izy: \u201cManafintohina anareo ve izany?",
"62": "Dia ahoana izany raha hitanareo miakatra ho any amin\u2019ilay nisy azy taloha ny Zanak\u2019olona?",
"63": "Ny fanahy no manome fiainana, fa ny nofo kosa tsy mahasoa mihitsy. Ny teny nolazaiko taminareo dia avy amin\u2019ny fanahy ary manome fiainana.",
"64": "Misy aminareo anefa tsy mino.\u201d Efa fantatr\u2019i Jesosy hatramin\u2019ny voalohany mantsy hoe iza avy no tsy mino, ary iza ilay hamadika azy.",
"65": "Hoy koa izy: \u201cIzany no nilazako taminareo hoe: Tsy misy mahay manatona ahy raha tsy nomen\u2019ny Ray alalana.\u201d",
"66": "Betsaka \u00e0ry ny mpianany nihemotra, ka tsy nanaraka azy intsony.",
"67": "Dia hoy i Jesosy tamin\u2019izy 12\u00a0Lahy: \u201cIanareo koa ve mba te hiala?\u201d",
"68": "Dia hoy i Simona Petera: \u201cTompo\u00a0\u00f4, hankany amin\u2019iza moa izahay? Ny teny lazainao no hahazoana fiainana mandrakizay.",
"69": "Mino izahay sady mahafantatra fa ianao Ilay Masin\u2019Andriamanitra.\u201d",
"70": "Dia hoy i Jesosy tamin\u2019izy ireo: \u201cNifidy anareo 12\u00a0Lahy aho, sa tsy izany? Ny anankiray aminareo anefa mpanendrikendrika.\u201d",
"71": "I Jodasy zanak\u2019i Simona Iskariota no tiany horesahina tamin\u2019izay. Izy io mantsy no hamadika azy, nefa izy anisan\u2019ny 12\u00a0Lahy."
},
"7": {
"1": "Taorian\u2019izay, dia mbola nitety an\u2019i Galilia ihany i Jesosy. Tsy te handeha tany Jodia mantsy izy, satria nitady hamono azy ny Jiosy.",
"2": "Akaiky anefa ny fetin\u2019ny Jiosy, izany hoe ny Fetin\u2019ny Tranolay.",
"3": "Hoy \u00e0ry ny rahalahiny taminy: \u201cMial\u00e0 eto dia mankanesa any Jodia, mba ho hitan\u2019ny mpianatrao koa ny asa ataonao.",
"4": "Fa tsy misy olona te ho fanta-bahoaka nefa manao zavatra ao amin\u2019ny miafina. Raha manao an\u2019ireny zavatra ireny ianao, dia misehoa amin\u2019izao tontolo izao.\u201d",
"5": "Tsy nino azy mantsy ireo rahalahiny.",
"6": "Dia hoy i Jesosy tamin\u2019izy ireo: \u201cMbola tsy tonga ny fotoana voatondro ho ahy, fa ianareo afaka mankany foana, na rahoviana na rahoviana.",
"7": "Tsy misy antony ankahalan\u2019izao tontolo izao anareo. Izaho anefa halany, satria manaporofo hoe ratsy ny ataony.",
"8": "Mandehana mankany amin\u2019ilay fety, fa izaho mbola tsy handeha satria mbola tsy tena tonga ny fotoana voatondro ho ahy.\u201d",
"9": "Nijanona tany Galilia \u00e0ry izy, rehefa avy nilaza an\u2019izany.",
"10": "Rehefa lasa namonjy an\u2019ilay fety anefa ireo rahalahiny, dia nandeha koa izy, nefa tsy mba nisehoseho fa niafinafina.",
"11": "Dia nitady azy tany amin\u2019ilay fety ny Jiosy, ka niteny hoe: \u201cFa aiza izy\u00a0e?\u201d",
"12": "Ary nitakoritsika be momba azy ny vahoaka. Hoy ny sasany: \u201cOlona tsara fanahy izy.\u201d Fa hoy kosa ny hafa: \u201cTsy tsara fanahy izy, fa mpamita-bahoaka.\u201d",
"13": "Tsy nisy sahy niresaka momba azy teo imason\u2019ny olona anefa, noho ny fahatahorana ny Jiosy.",
"14": "Rehefa nisasaka ilay fety, dia niakatra tao amin\u2019ny tempoly i Jesosy ka nampianatra.",
"15": "Dia gaga ny Jiosy, ka niteny hoe: \u201cFa ahoana koa no nahaizan\u2019io lehilahy io ny Soratra Masina hoatr\u2019izany, nefa izy aza tsy nianatra tany amin\u2019ny sekolintsika akory?\u201d",
"16": "Ary namaly i Jesosy hoe: \u201cTsy ahy ny fampianarako, fa an\u2019Ilay naniraka ahy.",
"17": "Raha misy olona te hanao ny sitrapon\u2019Andriamanitra, dia ho fantatr\u2019ilay olona raha avy amin\u2019Andriamanitra ny fampianarako, na ny hevitro fotsiny no lazaiko.",
"18": "Izay milaza ny heviny fotsiny mantsy dia mitady voninahitra ho an\u2019ny tenany. Fa izay mitady voninahitra ho an\u2019ilay naniraka azy kosa no milaza ny marina ary tsy mba mamitaka.",
"19": "Tsy i Mosesy ve no nanome anareo ny Lal\u00e0na? Tsy misy mankat\u00f2 ny Lal\u00e0na anefa ianareo. Ary maninona ianareo no mitady hamono ahy?\u201d",
"20": "Dia namaly ny vahoaka hoe: \u201cMisy demonia ianao. Iza koa izao no mitady hamono anao eo?\u201d",
"21": "Hoy i Jesosy: \u201cZavatra iray no nataoko, dia efa gaga daholo ianareo.",
"22": "Diniho \u00e0ry izao: Nanome anareo didy momba ny famorana i Mosesy. Tsy avy amin\u2019i Mosesy anefa ny famorana, fa avy amin\u2019ny razambenareo. Ary manao famorana amin\u2019ny andro sabata ianareo.",
"23": "Ianareo aza manao famorana amin\u2019ny andro sabata mba tsy handikana ny Lal\u00e0n\u2019i Mosesy. Dia maninona ianareo no tezitra be amiko noho izaho nanasitrana tanteraka olona iray tamin\u2019ny andro sabata?",
"24": "Aza mitsara ivelany intsony, fa mba mitsar\u00e0 araka ny rariny.\u201d",
"25": "Dia hoy ny mponina sasany tao Jerosalema: \u201cTsy io angaha ilay tadiavin-dry\u00a0zareo hovonoina?",
"26": "Jereo anefa fa miteny eto imasom-bahoaka izy, nefa tsy miteny na inona na inona aminy akory ry\u00a0zareo. Sao dia efa tena fantatry ny mpitondra eto amintsika \u00e0ry hoe izy no Kristy?",
"27": "Isika kosa anefa mahafantatra hoe avy aiza io lehilahy io. Rehefa tonga anefa i Kristy, dia tsy misy mahalala an\u2019izay fiaviany.\u201d",
"28": "Ary nampianatra tao amin\u2019ny tempoly i Jesosy, dia niteny mafy\u00a0be, nanao hoe: \u201cFantatrareo aho, ary fantatrareo koa hoe avy aiza aho. Tsy hoe sitrapoko fotsiny no nahatongavako tet\u1ef3, fa tena misy Ilay naniraka ahy, saingy tsy fantatrareo izy.",
"29": "Fantatro izy, satria solontenany aho, ary izy Ilay naniraka ahy.\u201d",
"30": "Dia nitady hisambotra azy izy ireo, nefa tsy nisy nisambotra azy, satria mbola tsy tonga ny fotoana voatondro ho azy.",
"31": "Na izany aza, dia nino azy ny ankamaroan\u2019ny vahoaka. Hoy izy ireo: \u201cRehefa tonga i Kristy, izy ve dia hahavita famantarana betsaka noho ny vitan\u2019io lehilahy io?\u201d",
"32": "Ary henon\u2019ny Fariseo fa nitakoritsika momba an\u2019i Jesosy ny vahoaka, ka naniraka mpiambina hisambotra an\u2019i Jesosy ny lehiben\u2019ny mpisorona sy ny Fariseo.",
"33": "Dia hoy i Jesosy: \u201cMbola hiaraka kelikely aminareo aho, alohan\u2019ny handehanako any amin\u2019Ilay naniraka ahy.",
"34": "Hitady ahy ianareo fa tsy hahita ahy, ary izay misy ahy dia tsy azonareo aleha.\u201d",
"35": "Nifampiresaka \u00e0ry ny Jiosy hoe: \u201cFa te ho aiza \u00e0ry izy io, amin\u2019izay tsy ho hitantsika? Sao dia te hankany amin\u2019ny Jiosy miparitaka any amin\u2019ny Grika \u00e0ry izy, mba hampianatra ny Grika?",
"36": "Fa inona no tiany holazaina amin\u2019ny hoe: \u2018Hitady ahy ianareo fa tsy hahita ahy, ary izay misy ahy tsy azonareo aleha\u2019?\u201d",
"37": "Tamin\u2019ilay andro farany, izay andro lehibe indrindra amin\u2019ilay fety, dia nitsangana i Jesosy ka niteny mafy\u00a0be, nanao hoe: \u201cIzay mangetaheta dia manat\u00f2na ahy fa homeko rano izy hosotroiny.",
"38": "Izay mino ahy, dia \u2018hisy rano velona hikoriana avy ao anatiny lalina ao\u2019, araka ny voalazan\u2019ny Soratra Masina.\u201d",
"39": "Ilay fanahy efa horaisin\u2019ireo mino azy anefa no noresahiny tamin\u2019izany. Fa mbola tsy nisy olona nomena ny fanahy, satria i Jesosy aza mbola tsy nomem-boninahitra.",
"40": "Rehefa naheno an\u2019izany ny olona sasany tao amin\u2019ilay vahoaka, dia niteny hoe: \u201cTena io mihitsy Ilay Mpaminany!\u201d",
"41": "Hoy koa ny hafa: \u201cIo no Kristy!\u201d Hoy anefa ny sasany: \u201cAngaha moa i Kristy avy any Galilia?",
"42": "Ny Soratra Masina angaha moa tsy milaza hoe avy amin\u2019ny taranak\u2019i Davida i Kristy, sady avy any Betlehema, tan\u00e0na nisy an\u2019i Davida?\u201d",
"43": "Koa tsy nitovy hevitra momba azy ny vahoaka.",
"44": "Ny sasany anefa te hisambotra azy, saingy tsy nisy nahavita.",
"45": "Avy eo dia niverina tany amin\u2019ny lehiben\u2019ny mpisorona sy ny Fariseo ny mpiambina. Dia hoy ny Fariseo taminy: \u201cFa maninona no tsy nentinareo nankat\u1ef3 izy?\u201d",
"46": "Namaly ny mpiambina hoe: \u201cMbola tsy nisy olona niteny hoatr\u2019izany mihitsy.\u201d",
"47": "Dia hoy ny Fariseo: \u201cIanareo koa angaha voafitaka?",
"48": "Fa angaha misy mino azy ny mpitondra eto amintsika na ny Fariseo?",
"49": "Fa voaozona ireo vahoaka tsy mahay ny Lal\u00e0na ireo.\u201d",
"50": "Hoy anefa i Nikodemosy, ilay tonga tany amin\u2019i Jesosy teo aloha, sady anisan\u2019ny Fariseo:",
"51": "\u201cAngaha moa ny lal\u00e0ntsika manameloka olona, raha tsy efa heno aloha izay lazainy ka fantatra izay ataony?\u201d",
"52": "Dia hoy izy ireo: \u201cAngaha koa ianao avy any Galilia? Diniho tsara dia ho hitanao fa tsy misy mpaminany avy any Galilia.\u201d"
},
"8": {},
"9": {
"1": "Tamin\u2019izy nandalo, dia nahita lehilahy jamba hatrany an-kibon-dreniny.",
"2": "Dia nanontany azy ny mpianany hoe: \u201cRaby\u00a0\u00f4, fa iza no nanota, io lehilahy io sa ny ray aman-dreniny, no teraka jamba izy?\u201d",
"3": "Dia hoy i Jesosy: \u201cTsy io lehilahy io na ny ray aman-dreniny no nanota, fa mitranga izao mba ho hitan\u2019ny olona ny asan\u2019Andriamanitra, amin\u2019izao mahazo azy izao.",
"4": "Tsy maintsy manao ny asan\u2019Ilay naniraka ahy isika, dieny mbola antoandro. Fa efa ho avy ny alina ka tsy hisy olona ho afaka hiasa.",
"5": "Izaho no fahazavan\u2019izao tontolo izao raha mbola eo amin\u2019izao tontolo izao aho.\u201d",
"6": "Rehefa avy niteny an\u2019izany izy, dia nandrora tamin\u2019ny tany ka nanao feta tanimanga tamin\u2019ny rorany. Dia nohosorany an\u2019ilay izy ny mason\u2019ilay lehilahy,",
"7": "ka hoy izy: \u201cMandehana misasa any amin\u2019ny dobon\u2019i Siloama\u201d\u2014izay adika hoe \u201cNalefa.\u201d\u2014Dia nandeha nisasa izy, ka lasa nahita rehefa niverina.",
"8": "Dia hoy ny mpiara-monina taminy sy ny olona efa nahita azy nangataka: \u201cTsy io ve ilay lehilahy nipetraka nangataka iny?\u201d",
"9": "Hoy ny sasany: \u201cIzy tokoa io.\u201d Fa hoy ny sasany: \u201cTsy izy izany io, fa olona mitovy aminy.\u201d Hoy foana anefa ilay lehilahy: \u201cIzaho iny ka!\u201d",
"10": "Hoy \u00e0ry ireo taminy: \u201cFa ahoana no nahatonga ny masonao hahita?\u201d",
"11": "Dia namaly izy hoe: \u201cNanao feta tanimanga ilay lehilahy atao hoe Jesosy, dia nohosorany an\u2019ilay izy ny masoko, sady hoy izy: \u2018Mandehana misasa any Siloama.\u2019 Dia nandeha nisasa aho, dia nahita.\u201d",
"12": "Ary hoy ireo: \u201cAiza izany lehilahy izany?\u201d Dia hoy izy: \u201cTsy haiko.\u201d",
"13": "Dia nentin\u2019ireo tany amin\u2019ny Fariseo ilay lehilahy jamba taloha.",
"14": "Sabata ny andro, tamin\u2019i Jesosy nanao an\u2019ilay feta sy nanasitrana ny mason\u2019ilay lehilahy.",
"15": "Nanontanian\u2019ny Fariseo \u00e0ry ilay lehilahy hoe ahoana no nahatonga azy hahita. Dia hoy izy: \u201cNasiany feta tanimanga ny masoko, dia nosasako dia nahita aho.\u201d",
"16": "Hoy ny Fariseo sasany avy eo: \u201cTsy nirahin\u2019Andriamanitra izany lehilahy izany, satria tsy mitandrina ny Sabata.\u201d Hoy kosa ny sasany: \u201cOlona mpanota ve dia hahavita fahagagana hoatr\u2019izany?\u201d Tsy nitovy hevitra \u00e0ry izy ireo.",
"17": "Hoy indray izy ireo tamin\u2019ilay jamba: \u201cAry ahoana ny hevitrao momba azy? Ny masonao mantsy no nositraniny.\u201d Dia hoy ilay lehilahy: \u201cMpaminany izy.\u201d",
"18": "Tsy nino anefa ny Jiosy hoe jamba io lehilahy io taloha fa izao efa mahita. Nantsoin\u2019izy ireo \u00e0ry ny ray aman-dreniny,",
"19": "ka nanontaniany hoe: \u201cZanakareo ve io, ilay lazainareo hoe teraka jamba? Koa ahoana izy izao no lasa mahita?\u201d",
"20": "Hoy ny ray aman-dreniny: \u201cZanakay io ka! Teraka jamba izy,",
"21": "nefa tsy fantatray hoe ahoana no nahatonga azy hahita, na hoe iza no nanasitrana ny masony. Anontanio izy\u00a0e! Efa lehibe izy, dia aleo izy ihany no hamaly anareo.\u201d",
"22": "Niteny an\u2019izany ny ray aman-dreniny satria natahotra ny Jiosy izy ireo. Efa nifanaraka mantsy ny Jiosy fa izay manaiky an\u2019i Jesosy ho Kristy, dia tokony horoahina hiala amin\u2019ny synagoga.",
"23": "Izany no nahatonga ny ray aman-dreniny hiteny hoe: \u201cEfa lehibe izy, ka anontanio.\u201d",
"24": "Dia nantsoin\u2019izy ireo fanindroany ilay jamba taloha, ka noteneniny hoe: \u201cOmeo voninahitra Andriamanitra, ka lazao ny marina. Fantatray fa mpanota izany lehilahy izany.\u201d",
"25": "Hoy anefa izy: \u201cTsy fantatro aloha raha mpanota izy na tsia. Izao ihany no fantatro: Jamba aho taloha, fa mahita aho izao.\u201d",
"26": "Dia hoy ireo: \u201cFa inona no nataony taminao? Ahoana no nanasitranany ny masonao?\u201d",
"27": "Dia namaly izy hoe: \u201cEfa noteneniko anareo izany, fa tsy nihaino ianareo. Koa maninona ianareo no te hihaino an\u2019ilay izy indray? Angaha koa ianareo te ho lasa mpianany?\u201d",
"28": "Dia nanambanimbany an\u2019ilay lehilahy izy ireo hoe: \u201cIalahy no mpianany, fa izahay mpianatr\u2019i Mosesy.",
"29": "Fantatray fa niteny tamin\u2019i Mosesy Andriamanitra, fa raha izany lehilahy izany, tsy fantatray izay niaviany.\u201d",
"30": "Dia namaly izy hoe: \u201cMba mahagaga koa ny tsy ahafantaranareo izay niaviany, nefa izy nanasitrana ny masoko.",
"31": "Fantatsika fa tsy mihaino ny mpanota Andriamanitra, fa izay matahotra azy sy manao ny sitrapony kosa no henoiny.",
"32": "Mbola tsy nisy naheno mihitsy hatramin\u2019izay hoe nisy olona nanasitrana ny mason\u2019ny jamba hatrany an-kibon-dreniny.",
"33": "Raha tsy nirahin\u2019Andriamanitra \u00e0ry izany lehilahy izany, dia tsy hahavita na inona na inona.\u201d",
"34": "Dia hoy ireo: \u201cTena teraka tao anatin\u2019ny ota ialahy! Koa ialahy indray ve no mampianatra anay?\u201d Dia noroahiny izy!",
"35": "Henon\u2019i Jesosy hoe noroahin\u2019izy ireo izy, ka hoy i Jesosy rehefa nahita azy: \u201cMino ny Zanak\u2019olona ve ianao?\u201d",
"36": "Dia hoy ilay lehilahy: \u201cFa iza izany, tompoko, mba hinoako azy?\u201d",
"37": "Hoy i Jesosy: \u201cEfa hitanao izy, ary izy ilay miresaka aminao izao.\u201d",
"38": "Hoy ilay lehilahy: \u201cTena mino azy aho, Tompo\u00a0\u00f4!\u201d Dia niankohoka teo anatrehany izy.",
"39": "Hoy i Jesosy avy eo: \u201cTonga eto amin\u2019izao tontolo izao aho mba ho azo tsaraina ny olona. Amin\u2019izay ny jamba lasa mahita, fa ny mahita kosa lasa jamba.\u201d",
"40": "Nisy Fariseo naheno an\u2019izany teo, ka niteny hoe: \u201cIzahay koa ve izany jamba?\u201d",
"41": "Dia hoy i Jesosy: \u201cTsy ho meloka ho nanota ianareo, raha jamba. Milaza anefa ianareo hoe: \u2018Mahita izahay\u2019, dia tsy afaka ny fahotanareo.\u201d"
},
"10": {
"1": "\u201cLazaiko marimarina aminareo fa izay tsy miditra eo amin\u2019ny vavahadin\u2019ny valan\u2019ondry, fa mianika any an-toeran-kafa, dia mpangalatra sy mpandroba.",
"2": "Ilay miditra eo amin\u2019ny vavahady kosa no mpiandry ondry.",
"3": "Vohain\u2019ny mpiandry vavahady izy, ary mihaino ny feony ny ondry. Dia antsoiny amin\u2019ny anarany avy ny ondriny, ka tarihiny hivoaka.",
"4": "Rehefa tafavoakany daholo ny ondriny, dia mandeha eo alohan\u2019ireo izy. Ary manaraka azy ny ondry satria mahafantatra ny feony.",
"5": "Tsy hanaraka olona tsy fantany mihitsy ireo, fa handositra azy kosa satria tsy fantany ny feony.\u201d",
"6": "Nilaza an\u2019izany fanoharana izany taminy i Jesosy, nefa tsy azon\u2019izy ireo izay tian\u2019i Jesosy holazaina.",
"7": "Hoy indray i Jesosy: \u201cLazaiko marimarina aminareo fa izaho no vavahady idiran\u2019ny ondry.",
"8": "Mpangalatra sy mpandroba daholo izay naka ny toerako, fa tsy nihaino azy ny ondry.",
"9": "Izaho no vavahady. Izay miditra eto amiko dia ho voavonjy, ary hiditra sy hivoaka izy sady hahita tanimbilona.",
"10": "Tsy tonga ny mpangalatra raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana. Fa izaho kosa tonga mba hahazoany fiainana, dia ho ela velona izy.",
"11": "Izaho no mpiandry tena tsara. Mahafoy ny ainy ho an\u2019ny ondry ny mpiandry tena tsara.",
"12": "Ny mpikarama indray rehefa mahita amboadia manatona, dia ilaozany ny ondry ka mandositra izy, satria tsy mpiandry izy sady tsy tompon\u2019ny ondry. Dia rambasan\u2019ny amboadia ny ondry ka miparitaka.",
"13": "Mandositra ilay mpikarama satria izy mpikarama, ka tsy raharahiany ny ondry.",
"14": "Izaho no mpiandry tena tsara. Fantatro ny ondriko, ary ny ondriko koa mahafantatra ahy,",
"15": "hoatran\u2019ny ahafantaran\u2019ny Ray ahy sy ahafantarako ny Ray. Ary foiko ho an\u2019ny ondry ny aiko.",
"16": "\u201cManana ondry hafa tsy ato amin\u2019ity vala ity aho. Ireny koa tsy maintsy hoentiko, dia hihaino ny feoko. Ho lasa andiany iray izy ireo sady ho iray ihany ny mpiandry azy.",
"17": "Tia ahy ny Ray satria mahafoy ny aiko aho mba hahazoako azy io indray.",
"18": "Tsy misy manala ny aiko amiko, fa izaho no mahafoy azy io an-tsitrapo. Manana fahefana hamoy ny aiko aho, ary manana fahefana hahazo azy io indray. Izany no didy azoko tamin\u2019ny Raiko.\u201d",
"19": "Dia tsy nitovy hevitra indray ny Jiosy noho izany teny izany.",
"20": "Betsaka no niteny hoe: \u201cMisy demonia izy sady adala. Koa maninona ianareo no mbola mihaino azy?\u201d",
"21": "Fa hoy ny sasany: \u201cTsy tenin\u2019olona misy demonia izany. Angaha ny demonia mahavita manasitrana ny mason\u2019ny jamba?\u201d",
"22": "Ary tonga ny Fetin\u2019ny Fitokanana tany Jerosalema. Ririnina tamin\u2019izay,",
"23": "ary nandeha tao amin\u2019ny tempoly i Jesosy, tao amin\u2019ny lala-mitafon\u2019i Solomona.",
"24": "Dia nitangorona teo aminy ny Jiosy, ka niteny hoe: \u201cRahoviana ihany ianao vao hilaza ny marina aminay\u00a0e? Tsory aminay raha ianao no Kristy.\u201d",
"25": "Dia hoy i Jesosy: \u201cEfa nolazaiko taminareo, fa ianareo no tsy mino. Ny asa ataoko amin\u2019ny anaran\u2019ny Raiko no porofo manamarina ahy.",
"26": "Tsy mino anefa ianareo, satria tsy ondriko.",
"27": "Ny ondriko mantsy mihaino ny feoko, ary fantatro izy dia manaraka ahy.",
"28": "Omeko fiainana mandrakizay izy, ary tsy ho ringana mihitsy sady tsy hisy handrombaka azy et\u1ef3 an-tanako.",
"29": "Izay nomen\u2019ny Raiko ahy dia sarobidy noho ny zavatra hafa rehetra, ary tsy misy mahavita mandrombaka azy eny an-tanan\u2019ny Ray.",
"30": "Ary izaho sy ny Ray dia iray ihany.\u201d",
"31": "Dia naka vato hitorahana azy indray ny Jiosy.",
"32": "Ary hoy i Jesosy: \u201cBe dia be ny asa tsara nasain\u2019ny Raiko natao ka nasehoko anareo. Dia iza amin\u2019ireny no hitorahanareo vato ahy?\u201d",
"33": "Dia hoy ny Jiosy: \u201cTsy ny asa tsara no hitorahanay vato anao, fa noho ianao manevateva an\u2019Andriamanitra. Olona ihany mantsy ianao nefa mihevi-tena ho andriamanitra.\u201d",
"34": "Dia hoy i Jesosy: \u201cAngaha tsy voasoratra ao amin\u2019ny Lal\u00e0nareo ilay hoe: \u2018Niteny aho hoe \u201candriamanitra ianareo\u201d\u2019?",
"35": "Raha nantsoin\u2019Andriamanitra hoe \u2018andriamanitra\u2019 ny olona nomelohin\u2019ny teniny, nefa tsy azo foanana ny Soratra Masina,",
"36": "dia maninona aho, izay nohamasinin\u2019ny Ray sy nirahiny ho amin\u2019izao tontolo izao, no lazainareo fa manevateva an\u2019Andriamanitra satria niteny hoe: \u2018Zanak\u2019Andriamanitra aho\u2019?",
"37": "Raha tsy manao ny asan\u2019ny Raiko aho, dia aza mino ahy.",
"38": "Fa raha manao an\u2019izany kosa aho, na tsy mino ahy aza ianareo, dia mba minoa noho ny asa ataoko. Amin\u2019izay ho fantatrareo sady ho hainareo foana fa ny Ray dia tafaray amiko, ary izaho tafaray amin\u2019ny Ray.\u201d",
"39": "Dia nitady hisambotra azy indray ireo, nefa nandositra izy ka tsy azony.",
"40": "Nankany ampitan\u2019ny Reniranon\u2019i Jordana indray izy, mba ho any amin\u2019ilay toerana nanaovan\u2019i Jaona batisa tamin\u2019ny voalohany, ka nijanona tany.",
"41": "Be dia be ny olona tonga teo aminy, ary niteny hoe: \u201cTsy mba nanao famantarana i Jaona na iray aza. Marina daholo anefa izay nolazainy momba an\u2019io lehilahy io.\u201d",
"42": "Ary betsaka ny olona nino an\u2019i Jesosy tany."
},
"11": {
"1": "Narary ny lehilahy iray antsoina hoe Lazarosy. Tao Betania izy no nipetraka, tao amin\u2019ilay tan\u00e0na nisy an\u2019i Maria sy Marta anabaviny.",
"2": "Io Maria io ilay nandraraka menaka manitra tamin\u2019ny Tompo sy nanamaina ny tongony tamin\u2019ny volony. Ary anadahiny i Lazarosy, ilay narary.",
"3": "Nandefa hafatra tany amin\u2019i Jesosy \u00e0ry ireo anabavin\u2019i Lazarosy ireo hoe: \u201cTompo\u00a0\u00f4, marary ilay namanao tsy foinao.\u201d",
"4": "Hoy anefa i Jesosy rehefa naheno an\u2019izany: \u201cTsy ny hahafaty azy no anton\u2019io aretina io, fa ny hanomezam-boninahitra an\u2019Andriamanitra, mba hahazo voninahitra koa ny Zanak\u2019Andriamanitra.\u201d",
"5": "Tian\u2019i Jesosy i Marta sy ny rahavaviny ary Lazarosy.",
"6": "Mbola nijanona roa andro tany amin\u2019izay nisy azy ihany anefa izy rehefa naheno hoe narary i Lazarosy.",
"7": "Taorian\u2019izay, dia hoy izy tamin\u2019ny mpianany: \u201cAndao indray ho any Jodia.\u201d",
"8": "Hoy anefa izy ireo: \u201cRaby\u00a0\u00f4, vao haingana ange ny Jodianina no nitady hitora-bato anao\u00a0e! Dia hankany indray ve ianao?\u201d",
"9": "Dia hoy i Jesosy: \u201cAngaha moa tsy adiny 12 no mazava ny andro? Raha mandeha amin\u2019ny antoandro ny olona, dia tsy ho tafintohina mihitsy, satria hitany ny fahazavan\u2019izao tontolo izao.",
"10": "Fa raha mandeha amin\u2019ny alina kosa izy, dia ho tafintohina, satria tsy ao anatiny ny fahazavana.\u201d",
"11": "Hoy izy rehefa avy niteny an\u2019izany: \u201cMatory i Lazarosy namantsika, fa handeha ho any aho hamoha azy.\u201d",
"12": "Dia hoy ny mpianany: \u201cTompo\u00a0\u00f4, raha matory izy dia ho sitrana.\u201d",
"13": "Te hilaza anefa i Jesosy hoe maty i Lazarosy, nefa noheverin\u2019izy ireo fa maka aina izy dia matory.",
"14": "Notsorin\u2019i Jesosy avy eo hoe: \u201cMaty i Lazarosy.",
"15": "Soa ihany aho fa tsy tany, fa mahasoa anareo izany, amin\u2019izay ianareo mino. Fa andao isika ho any aminy.\u201d",
"16": "Niteny tamin\u2019ny mpianatra hafa \u00e0ry i Tomasy, ilay atao hoe Ikambana, hoe: \u201cAndao koa isika handeha, mba hiara-maty aminy.\u201d",
"17": "Rehefa tonga i Jesosy, dia efa efatra andro i Lazarosy no tao am-pasana.",
"18": "Tany akaikin\u2019i Jerosalema i Betania, ary telo kilaometatra teo ho eo ny elanelan\u2019ireo.",
"19": "Ary be dia be ny Jiosy efa tonga nampionona an\u2019i Marta sy Maria, noho izy ireo namoy ny anadahiny.",
"20": "Rehefa henon\u2019i Marta hoe tamy any i Jesosy, dia lasa nitsena azy izy. I Maria kosa mbola nipetraka tao an-trano ihany.",
"21": "Dia hoy i Marta tamin\u2019i Jesosy: \u201cTompo\u00a0\u00f4, raha teto ianao dia tsy maty ny anadahiko.",
"22": "Na izao dia izao aza anefa, dia fantatro fa homen\u2019Andriamanitra anao daholo izay angatahinao.\u201d",
"23": "Hoy i Jesosy: \u201cAo fa hitsangana ny anadahinao.\u201d",
"24": "Dia hoy i Marta: \u201cFantatro fa hitsangana izy rehefa atsangana ny maty amin\u2019ny andro farany.\u201d",
"25": "Hoy i Jesosy: \u201cIzaho no fananganana ny maty sy fiainana. Izay maneho finoana ahy, na maty aza, dia ho velona indray.",
"26": "Ary izay rehetra velona ka maneho finoana ahy dia tsy ho faty mihitsy. Mino an\u2019izany ve ianao?\u201d",
"27": "Hoy izy: \u201cEny, Tompo\u00a0\u00f4! Mino aho fa ianao no Kristy, ilay Zanak\u2019Andriamanitra, ilay ho tonga eo amin\u2019izao tontolo izao.\u201d",
"28": "Dia lasa i Marta rehefa avy nilaza an\u2019izany, ka niantso an\u2019i Maria rahavaviny, ary niteny taminy mitokana hoe: \u201cAo ny Mpampianatra, mitady anao.\u201d",
"29": "Vao naheno an\u2019izany i Maria, dia nitsangana haingana ka lasa nankany amin\u2019i Jesosy.",
"30": "Mbola tsy tonga tao an-tan\u00e0na anefa i Jesosy, fa mbola teo amin\u2019ilay nitsenan\u2019i Marta azy.",
"31": "Rehefa nahita an\u2019i Maria nitsangana sy lasa nandeha \u00e0ry ireo Jiosy nampionona azy tao an-tranony, dia nanaraka azy koa. Nihevitra mantsy izy ireo fa handeha hitomany tany am-pasana izy.",
"32": "Rehefa tonga teo amin\u2019i Jesosy i Maria, dia niankohoka teo an-tongony, ka niteny hoe: \u201cTompo\u00a0\u00f4, raha teto ianao dia tsy maty ny anadahiko.\u201d",
"33": "Rehefa nahita an\u2019i Maria sy ireo Jiosy niaraka taminy nigogogogo nitomany i Jesosy, dia nisento lalina sady nalahelo be.",
"34": "Ary hoy izy: \u201cAiza izy no napetrakareo?\u201d Hoy ireo: \u201cTompo\u00a0\u00f4, andao jereo!\u201d",
"35": "Dia nirotsaka ny ranomason\u2019i Jesosy.",
"36": "Hoy \u00e0ry ny Jiosy: \u201cTena tiany marina izy izany.\u201d",
"37": "Hoy anefa ny sasany: \u201cTsy vitan\u2019io ve ny nisakana an\u2019iny lehilahy iray iny tsy ho faty, nefa izy aza nahavita nanasitrana ny mason\u2019ny jamba?\u201d",
"38": "Nisento lalina indray i Jesosy, dia nankeo amin\u2019ny fasana. Lava-bato notampenana vato ilay izy.",
"39": "Ary hoy i Jesosy: \u201cEsory io vato io.\u201d Hoy anefa i Marta, anabavin\u2019ny maty: \u201cTompo\u00a0\u00f4, tsy maintsy maimbo izy izao, satria efa efatra andro izay.\u201d",
"40": "Hoy i Jesosy: \u201cAngaha moa izaho tsy efa niteny taminao hoe raha mino ianao, dia hahita ny voninahitr\u2019Andriamanitra?\u201d",
"41": "Dia nesorin\u2019izy ireo ilay vato. Nitraka nijery ny lanitra i Jesosy avy eo, ka hoy izy: \u201cMisaotra anao aho, Ray\u00a0\u00f4, fa efa nihaino ahy ianao.",
"42": "Fantatro fa mihaino ahy foana ianao, nefa noho ireto vahoaka mijoro manodidina ahy ireto no ilazako an\u2019izany, mba hinoany fa ianao no naniraka ahy.\u201d",
"43": "Rehefa avy niteny an\u2019izany izy, dia niantso mafy hoe: \u201cRy\u00a0Lazarosy, mivoaha!\u201d",
"44": "Dia nivoaka ilay lehilahy efa maty, ary mbola nisy fehim-paty ny tongony aman-tanany, sady nifono lamba ny tarehiny. Dia hoy i Jesosy tamin\u2019ny olona: \u201cVahao izy, dia avelao handeha.\u201d",
"45": "Lasa nino an\u2019i Jesosy \u00e0ry ny ankamaroan\u2019ireo Jiosy tonga tao amin\u2019i Maria sy nahita an\u2019izay nataon\u2019i Jesosy.",
"46": "Ny sasany kosa nankany amin\u2019ny Fariseo ka nitantara an\u2019izay nataon\u2019i Jesosy.",
"47": "Dia novorin\u2019ny lehiben\u2019ny mpisorona sy ny Fariseo ireo anisan\u2019ny Fitsarana Avo Jiosy, ka hoy izy ireo: \u201cInona no hataontsika, fa be dia be ny famantarana ataon\u2019iny lehilahy iny?",
"48": "Raha avelantsika amin\u2019izao izy, dia hino azy daholo ny olona. Dia ho avy ny Romanina ka haka ny tempolintsika sy ny firenentsika.\u201d",
"49": "Hoy anefa ny iray taminy, dia i Kaiafa izay mpisoronabe tamin\u2019izany taona izany: \u201cTsy mahay na inona na inona mihitsy ianareo!",
"50": "Tsy noeritreretinareo ve fa mahasoa anareo raha olona iray no maty ho an\u2019ny vahoaka, toy izay ny firenena iray manontolo no ho rava?\u201d",
"51": "Tsy ny heviny fotsiny anefa izany nolazainy izany. Fa satria izy no mpisoronabe tamin\u2019izany taona izany, dia naminany izy hoe ho faty ho an\u2019ilay firenena i Jesosy,",
"52": "ary tsy ho an\u2019ilay firenena ihany, fa ho an\u2019ireo zanak\u2019Andriamanitra efa niparitaka koa, amin\u2019izay izy ireo hangonina ka ho tafaray.",
"53": "Nanomboka tamin\u2019izay andro izay \u00e0ry, dia niray tetika hamono an\u2019i Jesosy ireo.",
"54": "Tsy nisehoseho teo amin\u2019ny Jiosy intsony \u00e0ry i Jesosy rehefa nandeha. Niala teo kosa izy dia nankany amin\u2019ny faritra akaikin\u2019ny tany efitra, tao amin\u2019ny tan\u00e0na atao hoe Efraima. Ary nijanona tao niaraka tamin\u2019ny mpianany izy.",
"55": "Efa akaiky ny Paskan\u2019ny Jiosy tamin\u2019izay, ka betsaka ny olona avy any ambanivohitra no niakatra ho any Jerosalema talohan\u2019ny Paska, mba hanadio ny tenany araka ny takin\u2019ny Lal\u00e0na.",
"56": "Nitady an\u2019i Jesosy izy ireo. Ary tamin\u2019izy ireo mbola nijorojoro tao amin\u2019ny tempoly, dia nifanontany hoe: \u201cAhoana ny hevitrareo? Tsy ho tonga amin\u2019ny fety mihitsy ve izy?\u201d",
"57": "Efa nanome baiko anefa ny lehiben\u2019ny mpisorona sy ny Fariseo fa izay mahafantatra hoe aiza i Jesosy, dia tokony hiteny, mba hahafahan\u2019izy ireo hisambotra azy."
},
"12": {
"1": "Enina andro talohan\u2019ny Paska i Jesosy no tonga tao Betania. Tao no nisy an\u2019i Lazarosy, ilay natsangany tamin\u2019ny maty.",
"2": "Koa nisy nanasa tamin\u2019ny sakafo hariva i Jesosy tao. I Marta no nandroso sakafo, fa i Lazarosy kosa anisan\u2019ireo nisakafo niaraka tamin\u2019i Jesosy.",
"3": "Ary naka menaka manitra nilanja iray livatra i Maria. Narda tena izy ilay menaka sady lafo vidy be. Dia nararany teo amin\u2019ny tongotr\u2019i Jesosy ilay izy, ary nohamaininy tamin\u2019ny volony ny tongotr\u2019i Jesosy. Lasa manitra be eran\u2019ny trano, noho ny fofon\u2019ilay menaka.",
"4": "Hoy anefa i Jodasy Iskariota, anisan\u2019ny mpianany, ilay efa hamadika azy:",
"5": "\u201cFa maninona no tsy namidy 300\u00a0denaria iny menaka manitra iny, dia nomena ny mahantra ny vola?\u201d",
"6": "Tsy noho izy miahy ny mahantra anefa no nilazany an\u2019izany, fa noho izy mpangalatra. Izy mantsy no nitana ny boatim-bola, dia nangalariny foana ny tao anatiny.",
"7": "Hoy i Jesosy avy eo: \u201cAvelao izy, fa mba hanomanana ny andro handevenana ahy no anaovany an\u2019izao.",
"8": "Hisy mahantra foana mantsy eo aminareo, fa izaho kosa tsy ho eo aminareo foana.\u201d",
"9": "Ary lasa fantatry ny Jiosy maro be fa tao Betania izy. Tonga \u00e0ry ireo, tsy hoe mba hahita an\u2019i Jesosy fotsiny, fa mba hahita an\u2019i Lazarosy koa, ilay natsangany tamin\u2019ny maty.",
"10": "Niray tetika hamono an\u2019i Lazarosy koa \u00e0ry ny lehiben\u2019ny mpisorona,",
"11": "satria izy no nahatonga ny Jiosy be dia be hankany Betania sy hino an\u2019i Jesosy.",
"12": "Ny ampitson\u2019iny, dia henon\u2019ilay vahoaka\u00a0be tonga hamonjy an\u2019ilay fety fa hankany Jerosalema i Jesosy.",
"13": "Dia naka sampana palmie ireo, ka nandeha nitsena azy sady niantsoantso hoe: \u201cMba vonjeo re\u00a0e! Hotahina anie ilay tonga amin\u2019ny anaran\u2019i Jehovah, dia ilay Mpanjakan\u2019ny Israely!\u201d",
"14": "Ary nahita zanak\u2019ampondra i Jesosy ka nitaingenany, araka ny voasoratra hoe:",
"15": "\u201cAza matahotra, ry\u00a0Ziona zanakavavy. Iny tonga iny ny mpanjakanao, mitaingina zanak\u2019ampondra!\u201d",
"16": "Tsy azon\u2019ny mpianany izany tamin\u2019ny voalohany, fa rehefa nomem-boninahitra i Jesosy vao tadidin\u2019izy ireo hoe izany zavatra izany no voasoratra momba azy, ary izany no nitranga taminy.",
"17": "Ary mbola nitantara an\u2019izay nitranga ihany ilay vahoaka, izay efa nahita azy niantso an\u2019i Lazarosy hivoaka tao am-pasana sy nanangana azy tamin\u2019ny maty.",
"18": "Izany koa no antony nitsenan\u2019ny vahoaka azy, satria henon\u2019izy ireo fa efa nanao an\u2019io famantarana io izy.",
"19": "Koa nifampiresaka ny Fariseo hoe: \u201cHitanareo! Tsy misy na inona na inona vitantsika mihitsy. Jereo fa lasa manaraka azy daholo izao tontolo izao!\u201d",
"20": "Nisy Grika koa tamin\u2019ireo olona tonga hivavaka tamin\u2019ilay andro fety.",
"21": "Dia nanatona an\u2019i Filipo avy any Betsaida any Galilia izy ireo, ka niangavy hoe: \u201cMba te hahita an\u2019i Jesosy izahay, tompoko.\u201d",
"22": "Ary lasa i Filipo nilaza tamin\u2019i Andrea. I Andrea sy Filipo kosa lasa nilaza tamin\u2019i Jesosy.",
"23": "Hoy anefa i Jesosy tamin\u2019izy ireo: \u201cTonga ny fotoana hanomezam-boninahitra ny Zanak\u2019olona.",
"24": "Lazaiko marimarina aminareo fa raha tsy latsaka amin\u2019ny tany ny voa anankiray ka maty, dia mijanona ho voa anankiray ihany. Fa raha maty kosa ilay izy, dia mamokatra be dia be.",
"25": "Izay tia ny ainy no hamoy azy, fa izay mankahala ny ainy eo amin\u2019izao fiainana izao kosa no hiaro ny ainy mba hahazoany fiainana mandrakizay.",
"26": "Izay te hanompo ahy dia tokony hanaraka ahy, ary izay misy ahy no hisy ny mpanompoko koa. Izay manompo ahy dia homen\u2019ny Ray voninahitra.",
"27": "Mitebiteby be aho izany! Inona \u00e0ry no holazaiko? Ray\u00a0\u00f4, vonjeo ho afaka amin\u2019izao ora izao aho. Nefa dia noho izao ora izao no nahatongavako.",
"28": "Ray\u00a0\u00f4, omeo voninahitra ny anaranao.\u201d Dia nisy feo avy any an-danitra niteny hoe: \u201cEfa nanome voninahitra azy aho, ary mbola hanome voninahitra azy indray.\u201d",
"29": "Ary naheno an\u2019izany ilay vahoaka nitsangana teo ka nilaza hoe nikotroka ny andro. Hoy anefa ny sasany: \u201cAnjely izany niresaka taminy izany.\u201d",
"30": "Dia hoy i Jesosy: \u201cTsy ho ahy izany feo izany, fa ho anareo.",
"31": "Tonga izao ny fitsarana an\u2019izao tontolo izao, ary horoahina ilay mpitondra an\u2019izao tontolo izao.",
"32": "Rehefa asandratra avy eo amin\u2019ny tany anefa aho, dia hitaona ny karazan\u2019olona rehetra hanatona ahy.\u201d",
"33": "Niteny an\u2019izany izy mba hilazana ny fomba hahafatesany tsy ho ela.",
"34": "Dia hoy ny vahoaka: \u201cHenonay tao amin\u2019ny Lal\u00e0na fa ho velona mandrakizay i Kristy. Koa ahoana no ilazanao hoe tsy maintsy asandratra ny Zanak\u2019olona? Fa iza izany Zanak\u2019olona izany?\u201d",
"35": "Dia hoy i Jesosy: \u201cKely sisa no hisian\u2019ny mazava eo aminareo. Mandehana eo amin\u2019ny mazava dieny mbola eo aminareo ny mazava, mba tsy ho resin\u2019ny haizina ianareo. Ary izay mandeha ao amin\u2019ny haizina dia tsy mahalala izay alehany.",
"36": "Minoa ny mazava dieny mbola eo aminareo ny mazava, mba ho tonga zanaky ny mazava ianareo.\u201d Niteny an\u2019izany i Jesosy, dia lasa ka niafina an\u2019ireo.",
"37": "Na dia nanao famantarana be dia be teo anatrehan\u2019izy ireo aza izy, dia tsy ninoan\u2019ireo,",
"38": "mba ho tanteraka ny tenin\u2019i Isaia mpaminany hoe: \u201cJehovah \u00f4, iza no mba nino ny zavatra henony taminay? Ary iza no nampisehoan\u2019i Jehovah ny sandriny?\u201d",
"39": "Tsy afaka ny hino koa izy ireo satria mbola niteny i Isaia hoe:",
"40": "\u201cNanajamba ny mason\u2019ireo izy sady nanamafy ny fon\u2019ireo, amin\u2019izay ny masony tsy hahita, ary ny fony tsy hahazo ny dikan\u2019izany, dia tsy hiverina amiko izy ka tsy hositraniko.\u201d",
"41": "Nilaza an\u2019izany i Isaia, satria hitany ny voninahiny, ary niresaka momba azy izy.",
"42": "Betsaka koa anefa ny mpitondra teo amin\u2019ny Jiosy no nino azy, saingy tsy sahy nanaiky hoe mpianany izy ireo noho ny Fariseo, sao ho voaroaka hiala amin\u2019ny synagoga.",
"43": "Naleon\u2019izy ireo mantsy ny voninahitra avy tamin\u2019ny olona, toy izay ny voninahitra avy tamin\u2019Andriamanitra.",
"44": "Niteny mafy\u00a0be anefa i Jesosy, nanao hoe: \u201cIzay mino ahy, dia tsy izaho ihany no inoany, fa Ilay naniraka ahy koa.",
"45": "Ary izay mahita ahy, dia mahita an\u2019Ilay naniraka ahy.",
"46": "Tonga aho mba ho fahazavana eo amin\u2019izao tontolo izao, amin\u2019izay tsy hijanona ao amin\u2019ny maizina izay mino ahy.",
"47": "Raha misy anefa maheno ny teniko fa tsy manaraka an\u2019izany, dia tsy hitsara azy aho. Tsy tonga hitsara an\u2019izao tontolo izao mantsy aho, fa hamonjy an\u2019izao tontolo izao.",
"48": "Izay tsy miraharaha ahy ka tsy mandray ny teniko, dia hisy hitsara azy. Ny teny nolazaiko no hitsara azy amin\u2019ny andro farany.",
"49": "Tsy ny hevitro mantsy no nolazaiko, fa ny Ray izay naniraka ahy no nandidy ahy momba izay holazaiko sy hoteneniko.",
"50": "Ary fantatro fa ny didiny no hahazoana fiainana mandrakizay. Izay lazaiko \u00e0ry, dia lazaiko araka izay nolazain\u2019ny Ray tamiko.\u201d"
},
"13": {
"1": "Fantatr\u2019i Jesosy talohan\u2019ny fetin\u2019ny Paska fa tonga ny fotoana hialany eo amin\u2019izao tontolo izao sy handehanany ho any amin\u2019ny Ray. Ary satria efa tia ny mpianany eo amin\u2019izao tontolo izao izy, dia tiany hatramin\u2019ny farany izy ireo.",
"2": "Mbola nisakafo hariva izy ireo tamin\u2019izay. Ary efa nataon\u2019ny Devoly tao am-pon\u2019i Jodasy Iskariota, zanak\u2019i Simona, ny faniriana hamadika azy.",
"3": "Efa fantatr\u2019i Jesosy koa fa efa nomen\u2019ny Ray ho eo an-tanany ny zava-drehetra, sady avy tany amin\u2019Andriamanitra izy ka hankany amin\u2019Andriamanitra.",
"4": "Koa raha mbola nisakafo izy ireo, dia nitsangana izy, ka napetrany ny akanjony ivelany. Dia naka servieta izy, ka nisikinany.",
"5": "Avy eo dia nasiany rano tao anaty koveta. Dia nanomboka nanasa ny tongotry ny mpianatra izy, ka nohamaininy tamin\u2019ilay servieta nisikinany ny tongotr\u2019ireo.",
"6": "Tonga teo amin\u2019i Simona Petera izy avy eo. Hoy anefa i Petera: \u201cTompo\u00a0\u00f4, ianao ve no hanasa ny tongotro?\u201d",
"7": "Namaly azy i Jesosy hoe: \u201cAmin\u2019izao aloha tsy azonao izay ataoko, fa mbola ho azonao ihany any aoriana any.\u201d",
"8": "Hoy i Petera: \u201cTsy ianao mihitsy kosa no hanasa ny tongotro\u00a0e!\u201d Hoy anefa i Jesosy: \u201cRaha tsy sasako ianao, dia tsy ho afaka hiaraka amiko.\u201d",
"9": "Dia hoy i Simona Petera: \u201cTompo\u00a0\u00f4, tsy ny tongotro ihany \u00e0ry sasana, fa ny tanako sy ny lohako koa\u00a0e!\u201d",
"10": "Ary hoy i Jesosy: \u201cIzay efa avy nandro dia efa madio tanteraka, ka ny tongony ihany sisa no mila sasana. Efa madio ianareo, saingy tsy ianareo rehetra.\u201d",
"11": "Fantany mantsy ilay hamadika azy, ka izany no nilazany hoe: \u201cTsy ianareo rehetra no madio.\u201d",
"12": "Rehefa voasasany ny tongotr\u2019izy ireo, dia nanaovany ny akanjony ivelany. Dia naka toerana teo amin\u2019ny latabatra indray izy, ka niteny hoe: \u201cAzonareo ve ilay nataoko taminareo teo?",
"13": "Ianareo miantso ahy hoe \u2018Mpampianatra\u2019 sy \u2018Tompo\u2019, ary marina izany satria izany tokoa aho.",
"14": "Koa raha izaho Tompo sy Mpampianatra aza nanasa ny tongotrareo, dia ianareo koa mba tokony hifanasa tongotra.",
"15": "Fa modely no nomeko anareo, mba hanaovanareo hoatran\u2019ny nataoko taminareo koa.",
"16": "Lazaiko marimarina aminareo fa ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony, ary izay irahina tsy lehibe noho ilay naniraka azy.",
"17": "Raha fantatrareo izany, dia sambatra ianareo raha manao an\u2019izany.",
"18": "Tsy ianareo rehetra no resahiko amin\u2019izany, fa fantatro izay nofidiko. Tsy maintsy mitranga anefa izany mba ho tanteraka ny Soratra Masina hoe: \u2018Ilay niara-nihinana mofo tamiko no nanainga ny voditongony hamely ahy.\u2019",
"19": "Ilazako mialoha ianareo, manomboka izao, amin\u2019izay rehefa tena mitranga izany, dia hino ianareo hoe izaho no izy.",
"20": "Lazaiko marimarina aminareo fa izay mandray an\u2019izay irahiko dia mandray ahy, ary izay mandray ahy dia mandray an\u2019Ilay naniraka ahy koa.\u201d",
"21": "Nitebiteby be i Jesosy rehefa avy nilaza an\u2019izany, ka notsoriny hoe: \u201cLazaiko marimarina aminareo fa hamadika ahy ny iray aminareo.\u201d",
"22": "Dia nifampijery ny mpianatra, ka sahiran-tsaina nieritreritra hoe iza no noresahiny.",
"23": "Ary efa teo akaikin\u2019i Jesosy ny mpianany anankiray tamin\u2019izay, dia ilay mpianatra tiany.",
"24": "Koa nanaovan\u2019i Simona Petera fihetsika tamin\u2019ny lohany izy ka noteneniny hoe: \u201cFa iza, hono, izany resahiny izany?\u201d",
"25": "Niankina teo an-tratran\u2019i Jesosy \u00e0ry ilay mpianatra tiany, ka nanontany hoe: \u201cFa iza izany, Tompo\u00a0\u00f4?\u201d",
"26": "Dia namaly i Jesosy hoe: \u201cIlay homeko ny sombi-mofo atsoboko ao anaty vilia.\u201d Natsobony tao anaty vilia \u00e0ry ilay mofo, dia nalainy ka nomeny an\u2019i Jodasy zanak\u2019i Simona Iskariota.",
"27": "Rehefa nalain\u2019i Jodasy ilay mofo, dia niditra tao aminy i Satana. Dia hoy i Jesosy taminy: \u201cAtaovy haingana izay ataonao.\u201d",
"28": "Tsy nisy nahafantatra ny antony nilazany an\u2019izany anefa ireo nisakafo teo.",
"29": "Nisy aza nieritreritra hoe satria i Jodasy no nitazona ny boatim-bola, dia nilaza taminy i Jesosy hoe: \u201cVidio izay ilaintsika amin\u2019ny fety\u201d, na hoe tokony hanao fanomezana ho an\u2019ny mahantra izy.",
"30": "Tonga\u00a0dia nivoaka \u00e0ry izy rehefa nahazo an\u2019ilay sombi-mofo. Efa alina ny andro tamin\u2019izay.",
"31": "Rehefa lasa i Jodasy, dia hoy i Jesosy: \u201cOmem-boninahitra ny Zanak\u2019olona izao, ary amin\u2019ny alalany no anomezam-boninahitra\u00a0an\u2019Andriamanitra.",
"32": "Ary Andriamanitra mihitsy no hanome voninahitra azy, ary hanome voninahitra azy avy hatrany.",
"33": "Kely sisa no iarahako aminareo, ry\u00a0zanako malalako. Hitady ahy ianareo, ary izay nolazaiko tamin\u2019ny Jiosy ihany no lazaiko aminareo koa izao, hoe: \u2018Izay alehako dia tsy azonareo aleha.\u2019",
"34": "Izao no didy vaovao omeko anareo: Mifankatiava ianareo, ka hoatran\u2019ny nitiavako anareo no tokony mba hifankatiavanareo koa.",
"35": "Raha mifankatia ianareo, dia izany no hahafantaran\u2019ny olona rehetra fa mpianatro ianareo.\u201d",
"36": "Hoy i Simona Petera: \u201cFa ho aiza ianao, Tompo\u00a0\u00f4?\u201d Dia hoy i Jesosy: \u201cTsy afaka manaraka ahy any amin\u2019izay alehako ianao izao, nefa hanaraka ahy ihany any aoriana any.\u201d",
"37": "Ary hoy i Petera: \u201cTompo\u00a0\u00f4, fa maninona aho izao no tsy afaka manaraka anao? Na ny aiko aza ange hafoiko ho anao\u00a0e!\u201d",
"38": "Dia hoy i Jesosy: \u201cTena hahafoy ny ainao ho ahy tokoa ve ianao? Lazaiko marimarina aminao fa mbola tsy maneno akory ny akoho, dia efa handa ahy intelo ianao.\u201d"
},
"14": {
"1": "\u201cAza avela hitebiteby ny fonareo. Minoa an\u2019Andriamanitra, dia minoa ahy koa.",
"2": "Ao an-tranon\u2019ny Raiko misy fonenana be dia be. Tsy ho niteny an\u2019izany taminareo aho raha tsy nisy izany. Handeha hanomana toerana ho anareo mantsy aho.",
"3": "Ary rehefa lasa aho dia hanomana toerana ho anareo, ary ho avy indray ka handray anareo any amiko. Amin\u2019izay dia izay misy ahy no hisy anareo koa.",
"4": "Ary fantatrareo ny lalana mankany amin\u2019izay alehako.\u201d",
"5": "Dia hoy i Tomasy: \u201cTompo\u00a0\u00f4, tsy fantatray ange izay alehanao\u00a0e! Koa ahoana no ahafantaranay ny lalana mankany?\u201d",
"6": "Hoy i Jesosy: \u201cIzaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana. Tsy misy olona mankany amin\u2019ny Ray afa-tsy amin\u2019ny alalako.",
"7": "Raha efa nahalala ahy ianareo, dia ho efa nahalala ny Raiko koa. Fantatrareo izy manomboka izao, sady efa hitanareo.\u201d",
"8": "Hoy i Filipo: \u201cTompo\u00a0\u00f4, asehoy anay ny Ray dia efa ampy anay izany.\u201d",
"9": "Dia hoy i Jesosy: \u201cEfa izay ela izay aho no niaraka taminareo, dia mbola tsy mahafantatra ahy ihany ve ianao, ry\u00a0Filipo? Izay nahita ahy dia nahita ny Ray koa. Koa maninona ianao no miteny hoe: \u2018Asehoy anay ny Ray\u2019?",
"10": "Tsy mino angaha ianao hoe izaho tafaray amin\u2019ny Ray, ary ny Ray tafaray amiko? Tsy ny hevitro fotsiny no lazaiko aminareo, fa ny Ray izay tafaray foana amiko no manao ny asany.",
"11": "Minoa ny teniko hoe izaho tafaray amin\u2019ny Ray ary ny Ray tafaray amiko. Raha tsy izany, dia minoa na dia noho ny asa ataoko fotsiny aza.",
"12": "Lazaiko marimarina aminareo fa izay maneho finoana ahy, dia hanao ny asa ataoko koa. Hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria izaho hankany amin\u2019ny Ray.",
"13": "Ary izay rehetra angatahinareo amin\u2019ny anarako, dia hataoko mba hanomezam-boninahitra ny Ray amin\u2019ny alalan\u2019ny Zanaka.",
"14": "Raha mangataka zavatra amin\u2019ny anarako ianareo, na inona izany na inona, dia hataoko.",
"15": "\u201cRaha tia ahy ianareo, dia hankat\u00f2 ny didiko.",
"16": "Ary hangataka amin\u2019ny Ray aho, ka homeny mpanampy hafa ianareo, mba ho eo aminareo mandrakizay,",
"17": "dia ny fanahin\u2019ny fahamarinana. Tsy afaka mahazo azy io izao tontolo izao, satria tsy hitany na fantany izy io. Ianareo no mahalala azy io, satria eo aminareo foana izy io sady ao anatinareo.",
"18": "Tsy hamela anareo ho irery aho, fa hiverina at\u1ef3 aminareo.",
"19": "Kely sisa dia tsy hahita ahy intsony izao tontolo izao, fa ianareo no hahita ahy, satria velona aho dia ho velona ianareo.",
"20": "Amin\u2019izay andro izay dia ho fantatrareo fa izaho tafaray amin\u2019ny Raiko, dia ianareo tafaray amiko, ary izaho tafaray aminareo.",
"21": "Izay manaiky ny didiko ka mankat\u00f2 an\u2019izany, dia izy no tia ahy. Ary izay tia ahy dia ho tian\u2019ny Raiko. Ho tia azy aho, ka hataoko izay hahafantarany tsara ahy.\u201d",
"22": "Hoy i Jodasy\u2014tsy ilay Iskariota\u2014: \u201cTompo\u00a0\u00f4, fa maninona no hoe izahay no hataonao mahafantatra tsara anao, fa tsy izao tontolo izao?\u201d",
"23": "Dia namaly i Jesosy hoe: \u201cRaha misy tia ahy, dia hankat\u00f2 ny teniko izy, ka ho tian\u2019ny Raiko. Dia hankany aminy izahay ary hiara-mipetraka aminy.",
"24": "Izay tsy tia ahy dia tsy mba mankat\u00f2 ny teniko. Tsy ahy ny teny renareo, fa an\u2019ilay Ray naniraka ahy.",
"25": "\u201cLazaiko aminareo izany, dieny mbola eto aminareo aho.",
"26": "Ilay mpanampy, izany hoe ny fanahy masina, izay hirahin\u2019ny Ray amin\u2019ny anarako, anefa no hampianatra anareo ny zava-drehetra, sady hampahatsiahy anareo an\u2019izay rehetra nolazaiko taminareo.",
"27": "Fiadanana no avelako ho anareo. Omeko anareo ny fiadanako. Hafa mihitsy anefa ny fomba anomezako azy, fa tsy hoatran\u2019ny an\u2019izao tontolo izao. Aza avela hitebiteby na hatahotra \u00e0ry ny fonareo.",
"28": "Efa henonareo ilay teniko taminareo hoe: \u2018Handeha aho, dia hiverina at\u1ef3 aminareo indray.\u2019 Raha tia ahy ianareo, dia ho faly hoe handeha ho any amin\u2019ny Ray aho, satria ny Ray dia lehibe noho izaho.",
"29": "Efa nolazaiko taminareo mialoha izany, amin\u2019izay ianareo mino rehefa tena mitranga izany.",
"30": "Tsy hiteny betsaka aminareo intsony aho, fa efa ho avy ilay mpitondra an\u2019izao tontolo izao. Tsy manana fahefana amiko anefa izy.",
"31": "Fa mba hahafantaran\u2019izao tontolo izao fa tiako ny Ray, dia izay nasain\u2019ny Ray nataoko mihitsy no ataoko. Mitsang\u00e0na dia andao isika hiala eto."
},
"15": {
"1": "\u201cIzaho no tena voaloboka, ary ny Raiko no mpamboly.",
"2": "Esoriny daholo izay sampany rehetra tsy mamoa eo amiko. Fa izay mamoa kosa rantsanany mba hadio, amin\u2019izay misy voany betsaka kokoa.",
"3": "Efa madio ianareo, noho ny teny nolazaiko taminareo.",
"4": "Miezaha ho tafaray amiko foana, dia ho tafaray aminareo foana koa aho. Tsy afaka mamoa irery ny sampam-boaloboka raha tsy mikambana amin\u2019ny voaloboka. Tsy afaka mamoa koa ianareo raha tsy tafaray amiko foana.",
"5": "Izaho no voaloboka dia ianareo no sampany. Izay tafaray amiko foana ary izaho tafaray aminy, dia izy no mamoa be. Fa tsy afaka manao na inona na inona mihitsy ianareo raha misaraka amiko.",
"6": "Raha misy miala amiko, dia lasa hoatran\u2019ny sampany ariana eny ivelany izy ka malazo. Ary angonin\u2019ny olona ireny, dia atsipiny ao anaty afo ka may.",
"7": "Angataho izay tianareo fa homena anareo izany, raha tafaray amiko foana ianareo sady ao am-ponareo foana ny teniko.",
"8": "Mahazo voninahitra ny Raiko rehefa mamoa be foana ianareo sady asehonareo hoe mpianatro ianareo.",
"9": "Mitovy amin\u2019ny itiavan\u2019ny Ray ahy no itiavako anareo. Koa ataovy foana izay hitiavako anareo.",
"10": "Raha mankat\u00f2 ny didiko ianareo, dia hataonareo foana izay hitiavako anareo. Izaho koa mantsy mankat\u00f2 ny didin\u2019ny Ray sady ataoko foana izay hitiavany ahy.",
"11": "\u201cLazaiko aminareo izany mba ho faly hoatr\u2019ahy ianareo, sady mba ho feno izany fifalianareo izany.",
"12": "Izao no didiko: \u201cMifankatiava ianareo, hoatran\u2019ny nitiavako anareo.",
"13": "Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny mahafoy ny ainy ho an\u2019ny namany.",
"14": "Ho namako ianareo raha mankat\u00f2 ny didy omeko anareo.",
"15": "Tsy antsoiko hoe mpanompo intsony ianareo, satria ny mpanompo tsy mahalala izay ataon\u2019ny tompony. Fa antsoiko hoe namana kosa ianareo, satria ampahafantariko anareo daholo izay henoko tamin\u2019ny Raiko.",
"16": "Tsy ianareo no nifidy ahy, fa izaho no nifidy anareo. Notendreko hamokatra foana ianareo, sady hamokatra voa maharitra eo foana. Amin\u2019izay dia homen\u2019ny Ray anareo izay rehetra angatahinareo aminy amin\u2019ny anarako.",
"17": "\u201cIreo no didy omeko anareo, amin\u2019izay ianareo mifankatia.",
"18": "Raha halan\u2019izao tontolo izao ianareo, dia fantaro fa izaho efa halany talohanareo.",
"19": "Raha anisan\u2019izao tontolo izao ianareo, dia ho tian\u2019izao tontolo izao satria azy. Fa satria tsy anisan\u2019izao tontolo izao ianareo, fa efa nofidiko avy teo amin\u2019izao tontolo izao, dia halan\u2019izao tontolo izao ianareo.",
"20": "Tadidio ilay teniko taminareo hoe: Tsy lehibe noho ny tompony ny mpanompo. Raha nanenjika ahy izy, dia hanenjika anareo koa. Ary raha nankat\u00f2 ny teniko izy, dia hankat\u00f2 ny teninareo koa.",
"21": "Noho ny anarako anefa no hanaovany an\u2019izany rehetra izany aminareo, satria tsy fantany Ilay naniraka ahy.",
"22": "Raha ohatra ka tsy tonga aho sady tsy niteny taminy, dia tsy ho meloka izy. Izao anefa izy tsy manana fialan-tsiny amin\u2019ny fahotany.",
"23": "Izay mankahala ahy dia mankahala ny Raiko.",
"24": "Tsy ho meloka izy, raha tsy nataoko teo aminy ireny fahagagana mbola tsy nisy nanao ireny. Izao anefa izy sady nahita ahy no mbola mankahala ahy sy ny Raiko koa.",
"25": "Mitranga anefa izany mba ho tanteraka ilay voasoratra ao amin\u2019ny Lal\u00e0na hoe: \u2018Nankahala ahy tsy amin\u2019antony izy ireo.\u2019",
"26": "Ho tonga ilay mpanampy hirahiko ho any aminareo avy any amin\u2019ny Ray, dia ny fanahin\u2019ny fahamarinana. Rehefa tonga io mpanampy avy any amin\u2019ny Ray io, dia hanome porofo momba ahy.",
"27": "Dia ianareo indray avy eo no hanome porofo momba ahy, satria ianareo efa niaraka tamiko hatramin\u2019ny voalohany."
},
"16": {
"1": "\u201cNilaza an\u2019izany taminareo aho, mba tsy ho levona ny finoanareo.",
"2": "Horoahin\u2019ny olona hiala amin\u2019ny synagoga ianareo. Mbola ho avy aza ny fotoana hiheveran\u2019izay mamono anareo hoe manao fanompoana masina ho an\u2019Andriamanitra izy rehefa manao an\u2019izany.",
"3": "Hanao an\u2019izany izy, satria mbola tsy fantany na izaho na ny Ray.",
"4": "Noteneniko anareo anefa izany, amin\u2019izay rehefa tonga ny fotoana itrangan\u2019izany, dia ho tadidinareo hoe efa niteny an\u2019izany taminareo aho. \u201cTsy noteneniko anareo izany tamin\u2019ny voalohany, satria mbola teo aminareo aho.",
"5": "Handeha ho any amin\u2019Ilay naniraka ahy aho izao, nefa tsy misy manontany ahy ianareo hoe: \u2018Ho aiza ianao?\u2019",
"6": "Malahelo be mantsy ny fonareo satria niteny anareo an\u2019izany aho.",
"7": "Lazaiko aminareo anefa fa tena mahasoa anareo ny handehanako, satria raha tsy mandeha aho, dia tsy ho tonga at\u1ef3 aminareo ilay mpanampy. Raha mandeha anefa aho, dia hirahiko ho at\u1ef3 aminareo izy.",
"8": "Ary rehefa tonga izy, dia hanome porofo mampiaiky an\u2019izao tontolo izao momba ny fahotana, sy momba ny fahamarinana, ary momba ny fitsarana.",
"9": "Voalohany, porofo momba ny fahotana, satria tsy mino ahy izy ireo.",
"10": "Avy eo, porofo momba ny fahamarinana, satria ho any amin\u2019ny Ray aho ka tsy ho hitanareo intsony.",
"11": "Ary farany, porofo momba ny fitsarana, satria efa voatsara ilay mpitondra an\u2019izao tontolo izao.",
"12": "\u201cMbola betsaka ny zavatra tokony holazaiko aminareo, saingy tsy zakanareo izany izao.",
"13": "Rehefa tonga anefa izy, izany hoe ny fanahin\u2019ny fahamarinana, dia hitari-dalana anareo mba ho azonareo tsara ny fahamarinana rehetra. Tsy ny heviny fotsiny mantsy no hoteneniny, fa izay henony no holazainy, dia hohazavainy aminareo ny zavatra mbola ho avy.",
"14": "Hanome voninahitra ahy izy, satria hohazavainy aminareo izay azony avy amiko.",
"15": "Izay rehetra an\u2019ny Ray dia ahy. Izany no nahatonga ahy hiteny hoe hohazavainy aminareo izay azony avy amiko.",
"16": "Rehefa afaka kelikely dia tsy hahita ahy intsony ianareo, fa rehefa afaka kelikely indray dia hahita ahy ianareo.\u201d",
"17": "Dia nifampiresaka ny mpianany sasany hoe: \u201cFa inona no tiany hotenenina amin\u2019ilay hoe: \u2018Rehefa afaka kelikely dia tsy hahita ahy ianareo, fa rehefa afaka kelikely indray dia hahita ahy ianareo\u2019, sy ilay hoe: \u2018Satria ho any amin\u2019ny Ray aho\u2019?\u201d",
"18": "Ary hoy ireo: \u201cFa inona \u00e0ry no tiany hotenenina amin\u2019ilay hoe: \u2018Rehefa afaka kelikely\u2019? Tsy azontsika ny tiany holazaina.\u201d",
"19": "Fantatr\u2019i Jesosy fa te hanontany azy izy ireo, ka hoy izy: \u201cLasa mifanontany ve ianareo, satria niteny aho hoe: \u2018Rehefa afaka kelikely dia tsy hahita ahy ianareo, fa rehefa afaka kelikely indray dia hahita ahy ianareo\u2019?",
"20": "Lazaiko marimarina aminareo fa hitomany sy hidradradradra ianareo, fa izao tontolo izao kosa hifaly. Halahelo ianareo, nefa hivadika ho fifaliana ny alahelonareo.",
"21": "Ory ny vehivavy rehefa tonga ny fotoana iterahany. Tsy tadidiny intsony anefa ny fahoriany rehefa teraka izy. Faly mantsy izy fa misy olona teraka eo amin\u2019izao tontolo izao.",
"22": "Malahelo koa ianareo izao. Hahita anareo indray anefa aho, dia ho faly ny fonareo. Dia tsy hisy hanala an\u2019izany fifalianareo izany.",
"23": "Tsy hanontany ahy intsony mihitsy ianareo amin\u2019izay andro izay. Lazaiko marimarina aminareo fa na inona na inona angatahinareo amin\u2019ny Ray, dia homeny anareo amin\u2019ny anarako izany.",
"24": "Mbola tsy nangataka na inona na inona tamin\u2019ny anarako ianareo, hatramin\u2019izao. Mangataha dia hahazo ianareo, mba ho feno ny fifalianareo.",
"25": "\u201cNanao fanoharana aho rehefa nilaza an\u2019izany taminareo. Tonga anefa ny fotoana tsy hanaovako fanoharana aminareo intsony, fa hotsoriko aminareo ny momba ny Ray.",
"26": "Hangataka amin\u2019ny anarako ianareo amin\u2019izay andro izay. Tsy midika anefa izany teniko izany hoe izaho no hangataka amin\u2019ny Ray ho anareo.",
"27": "Tia anareo mantsy ny Ray, satria ianareo efa tia ahy ka nino fa avy tamin\u2019ny Ray aho sady solontenan\u2019Andriamanitra.",
"28": "Solontenan\u2019ny Ray aho, ary tonga eto amin\u2019izao tontolo izao. Hiala eto amin\u2019izao tontolo izao anefa aho izao, dia ho any amin\u2019ny Ray.\u201d",
"29": "Hoy ny mpianany: \u201cIzay fa miteny tsotra fotsiny ianao fa tsy manao fanoharana.",
"30": "Fantatray izao fa hainao daholo ny zava-drehetra, ary tsy mila anontaniana akory ianao. Dia lasa mino izahay fa avy any amin\u2019Andriamanitra ianao.\u201d",
"31": "Dia hoy i Jesosy: \u201cTena mino ve ianareo izao?",
"32": "Ho avy ny fotoana, ary efa kely sisa dia ho tonga ny fotoana handosiranareo tsirairay any amin\u2019izay halehanareo, dia havelanareo ho irery aho. Tsy irery anefa aho satria eo ny Raiko.",
"33": "Nilaza an\u2019izany taminareo aho mba ho amin\u2019ny alalako no hahazoanareo fiadanana. Eo amin\u2019izao tontolo izao no hahitanareo fahoriana, nefa man\u00e0na herim-po! Izaho efa naharesy an\u2019izao tontolo izao.\u201d"
},
"17": {
"1": "Nitraka nijery ny lanitra i Jesosy rehefa avy nilaza an\u2019izany, dia hoy izy: \u201cRay\u00a0\u00f4, tonga ny fotoana. Omeo voninahitra ny zanakao mba hanomezany voninahitra anao.",
"2": "Fa efa nomenao fahefana amin\u2019ny olona rehetra izy, mba ho afaka hanome fiainana mandrakizay ho an\u2019izay rehetra nomenao azy.",
"3": "Raha te hahazo fiainana mandrakizay izy ireo, dia mila mianatra mba hahafantatra anao, ilay hany tena Andriamanitra, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.",
"4": "Efa nanome voninahitra anao aho teto an-tany, satria vitako ny asa nasainao nataoko.",
"5": "Ray\u00a0\u00f4, mba omeo voninahitra eo akaikinao \u00e0ry aho izao, dia ilay voninahitra nananako teo akaikinao, tamin\u2019ny mbola tsy nisy izao tontolo izao.",
"6": "\u201cEfa nampahafantariko an\u2019ireo olona nomenao ahy teo amin\u2019izao tontolo izao ny anaranao. Anao izy ireo, dia nomenao ahy, ary efa narahiny ny teninao.",
"7": "Efa fantany izao fa avy taminao ny zava-drehetra nomenao ahy.",
"8": "Efa noteneniko azy mantsy izay nolazainao tamiko. Dia nekeny izany, ka lasa fantany tsara fa solontenanao aho. Nino koa izy ireo hoe ianao no naniraka ahy.",
"9": "Mangataka aminao ho azy ireo aho. Tsy mangataka ho an\u2019izao tontolo izao aho fa ho an\u2019ireo nomenao ahy, satria anao izy ireo.",
"10": "Anao daholo koa izay ananako ary ahy izay anananao, ary efa nomem-boninahitra teo amin\u2019izy ireo aho.",
"11": "\u201cTsy ho eto amin\u2019izao tontolo izao intsony aho, satria ho any aminao, fa izy ireo no eto. Ray Masina\u00a0\u00f4, arovy izy ireo noho ilay anaranao nomenao ahy, mba ho iray koa izy ireo, hoatr\u2019antsika ihany.",
"12": "Tamin\u2019izaho mbola teo amin\u2019izy ireo, dia niaro azy aho noho ilay anaranao nomenao ahy. Narovako izy ireo, ka tsy nisy ringana na iray aza, afa-tsy ilay zanaky ny fandringanana, mba ho tanteraka ny Soratra Masina.",
"13": "Ho any aminao anefa aho izao, ary lazaiko eto amin\u2019izao tontolo izao ireny zavatra ireny, mba ho tena tsapan\u2019izy ireo ao am-pony ny fifaliako.",
"14": "Efa nomeko azy ny teninao. Halan\u2019izao tontolo izao anefa izy, satria tsy anisan\u2019izao tontolo izao, hoatr\u2019ahy tsy anisan\u2019izao tontolo izao.",
"15": "\u201cTsy mangataka aminao mba hanala azy ireo eo amin\u2019izao tontolo izao aho, fa mba hiaro azy amin\u2019ilay ratsy.",
"16": "Tsy anisan\u2019izao tontolo izao izy, hoatr\u2019ahy tsy anisan\u2019izao tontolo izao.",
"17": "Mba hamasino amin\u2019ny alalan\u2019ny fahamarinana izy ireo, fa ny teninao no fahamarinana.",
"18": "Nirahinao ho amin\u2019izao tontolo izao aho, dia hoatr\u2019izany koa fa nirahiko ho amin\u2019izao tontolo izao izy ireo.",
"19": "Ary ho azy ireo no anamasinako ny tenako, amin\u2019izay koa izy ireo hohamasinina amin\u2019ny alalan\u2019ny fahamarinana.",
"20": "\u201cTsy mangataka ho an\u2019ireto ihany anefa aho, fa ho an\u2019izay mino ahy koa noho ny tenin\u2019izy ireo,",
"21": "mba ho iray izy rehetra, hoatr\u2019anao Ray tafaray amiko ary izaho tafaray aminao, dia ho tafaray amintsika koa izy ireo, amin\u2019izay dia hino izao tontolo izao hoe ianao no naniraka ahy.",
"22": "Nomeko azy ireo ilay voninahitra nomenao ahy, mba ho iray hoatr\u2019antsika koa izy ireo.",
"23": "Izaho tafaray aminy ary ianao tafaray amiko, mba ho iray tanteraka izy ireo, ka ho fantatr\u2019izao tontolo izao fa ianao no naniraka ahy sady efa tia azy tahaka ny nitiavanao ahy.",
"24": "Ray\u00a0\u00f4, tiako raha mba miaraka amiko any amin\u2019izay misy ahy ireo nomenao ahy ireo, mba ho hitany ilay voninahitro nomenao ahy, satria ianao efa tia ahy talohan\u2019ny nanorenana an\u2019izao tontolo izao.",
"25": "Ray\u00a0\u00f4, manao ny rariny ianao. Tena tsy mahafantatra anao izao tontolo izao, fa izaho efa mahafantatra anao, ary ireto koa efa mahalala fa ianao no naniraka ahy.",
"26": "Efa nampahafantariko azy ny anaranao ary mbola hampahafantariko ihany, mba ho hoatran\u2019ny nitiavanao ahy no hitiavan\u2019izy ireo ny hafa, ary mba ho tafaray amin\u2019izy ireo koa aho.\u201d"
},
"18": {
"1": "Rehefa avy nilaza an\u2019izany i Jesosy, dia lasa nandeha niampita ny Lohasahan\u2019i Kidrona, niaraka tamin\u2019ny mpianany. Dia nankao amin\u2019ny zaridaina iray tany izy sy ny mpianany.",
"2": "Nahafantatra an\u2019io toerana io koa i Jodasy, ilay namadika azy, satria mpankao matetika i Jesosy sy ny mpianany.",
"3": "Nitondra andia-miaramila sy mpiambina avy tamin\u2019ny lehiben\u2019ny mpisorona sy ny Fariseo \u00e0ry i Jodasy, ka tonga tao nitondra fanilo sy jiro ary fiadiana.",
"4": "Fantatr\u2019i Jesosy hoe inona daholo ny zavatra hanjo azy, ka nanatona izy ary nanontany hoe: \u201cIza no tadiavinareo?\u201d",
"5": "Hoy ireo taminy: \u201cI Jesosy avy any Nazareta.\u201d Dia hoy izy: \u201cIzaho no izy.\u201d Teo koa i Jodasy, ilay namadika azy, nitsangana niaraka tamin\u2019izy ireo teo.",
"6": "Rehefa nilaza anefa i Jesosy hoe: \u201cIzaho no izy\u201d, dia nihemotra izy ireo ka nianjera tamin\u2019ny tany.",
"7": "Nanontany indray \u00e0ry izy hoe: \u201cFa iza ho\u2019aho no tadiavinareo?\u201d Dia hoy ireo: \u201cI Jesosy avy any Nazareta.\u201d",
"8": "Ary hoy i Jesosy: \u201cEfa hoe izaho no izy! Koa raha izaho no tadiavinareo, dia avelao ireto handeha.\u201d",
"9": "Nitranga izany mba ho tanteraka ilay teniny hoe: \u201cTsy navelako hisy ho very izay nomenao ahy, na iray aza.\u201d",
"10": "Ary nanana sabatra i Simona Petera. Dia notsoahany ilay izy, ka nasiany ny mpanompon\u2019ny mpisoronabe dia tapaka ny sofiny havanana. Malko no anaran\u2019io mpanompo io.",
"11": "Hoy anefa i Jesosy tamin\u2019i Petera: \u201cAmpidiro ao amin\u2019ny tranony ny sabatrao. Izaho ve dia tsy hisotro amin\u2019ny kaopy nomen\u2019ny Raiko ahy?\u201d",
"12": "Dia nisambotra an\u2019i Jesosy ilay andia-miaramila sy ny mpitari-tafika ary ny mpiambina teo amin\u2019ny Jiosy, ka namatotra azy.",
"13": "Nentiny tany amin\u2019i Anasy aloha izy, satria i Anasy no rafozandahin\u2019i Kaiafa, ilay mpisoronabe tamin\u2019izany taona izany.",
"14": "Io Kaiafa io ilay nanoro hevitra ny Jiosy hoe mahasoa azy ireo raha olona iray no maty ho an\u2019ny vahoaka.",
"15": "Nanaraka an\u2019i Jesosy i Simona Petera sy ny mpianatra iray fantatry ny mpisoronabe. Dia niditra tao an-tokotanin\u2019ny mpisoronabe niaraka tamin\u2019i Jesosy ilay mpianatra,",
"16": "fa i Petera kosa nijanona tao ivelany, teo am-bavahady. Nivoaka \u00e0ry ilay mpianatra fantatry ny mpisoronabe, dia niresaka tamin\u2019ny mpiandry vavahady ka nampiditra an\u2019i Petera.",
"17": "Ary hoy ilay mpanompovavy mpiandry vavahady, tamin\u2019i Petera: \u201cTsy mpianatr\u2019io lehilahy io koa ve ianao?\u201d Hoy i Petera: \u201cTsy mpianany aho ka!\u201d",
"18": "Nijoro nanodidina ny afon-tsaribao nampirehetiny teo ny mpanompo sy ny mpiambina, satria nangatsiaka ny andro. Nitanina afo izy ireo, dia mba nijoro nitanina afo teo koa i Petera.",
"19": "Dia nanontany an\u2019i Jesosy momba ny mpianany sy ny fampianarany ny lehiben\u2019ny mpisorona.",
"20": "Ary hoy i Jesosy: \u201cNiteny teny imason\u2019ny olona rehetra aho. Nampianatra tao amin\u2019ny synagoga sy ny tempoly foana koa aho, dia tany amin\u2019izay nivorian\u2019ny Jiosy rehetra. Tsy niafinafina mihitsy aho rehefa niteny.",
"21": "Dia maninona ianao no manontany ahy? Ireny olona nihaino ny teniko ireny anontaniana, fa ireny no mahafantatra an\u2019izay nolazaiko.\u201d",
"22": "Rehefa avy nilaza an\u2019izany izy, dia namely tehamaina azy ny mpiambina iray nijoro teo, ka niteny hoe: \u201cHoatr\u2019izany ve no famalinao ny lehiben\u2019ny mpisorona?\u201d",
"23": "Ary hoy i Jesosy: \u201cRaha nisy diso izay nolazaiko, dia porofoy hoe inona no diso. Fa raha marina kosa ny teniko, dia maninona aho no asianao?\u201d",
"24": "Nasain\u2019i Anasy nentina nifatotra ho any amin\u2019i Kaiafa mpisoronabe i Jesosy avy eo.",
"25": "Ary mbola nijoro nitanina afo teo i Simona Petera no nisy nanontany hoe: \u201cTsy mpianany koa moa ianao?\u201d Dia nanda izy hoe: \u201cTsy mpianany aho ka!\u201d",
"26": "Hoy ny iray tamin\u2019ny mpanompon\u2019ny mpisoronabe, izay havan\u2019ilay olona nokapain\u2019i Petera ny sofiny: \u201cTsy ianao ve ilay hitako tao amin\u2019ny zaridaina niaraka taminy?\u201d",
"27": "Nanda indray anefa i Petera, ary teo no ho eo ihany dia nisy akoho naneno.",
"28": "Dia niala tao amin\u2019i Kaiafa izy ireo ka nentiny tany an-tranon\u2019ny governora i Jesosy. Vao maraina be tamin\u2019izay. Tsy niditra tao an-tranon\u2019ny governora anefa izy ireo mba tsy ho voaloto. Te hihinana ny sakafon\u2019ny Paska mantsy izy ireo.",
"29": "Nivoaka nankeo amin\u2019izy ireo teo ivelany \u00e0ry i Pilato, ka hoy izy: \u201cInona no iampanganareo an\u2019io lehilahy io?\u201d",
"30": "Dia namaly ireo hoe: \u201cRaha tsy mpanao ratsy izy, dia tsy ho natolotray anao.\u201d",
"31": "Hoy \u00e0ry i Pilato: \u201cEnto izy, dia tsarao araka ny lal\u00e0nareo.\u201d Dia hoy ny Jiosy: \u201cTsy azonay atao ny mamono olona.\u201d",
"32": "Nitranga izany mba ho tanteraka ny teny efa nolazain\u2019i Jesosy mahakasika ny fomba hahafatesany.",
"33": "Niditra tao an-tranon\u2019ny governora indray i Pilato, dia nantsoiny i Jesosy ka nanontaniany hoe: \u201cIanao ve no Mpanjakan\u2019ny Jiosy?\u201d",
"34": "Dia namaly i Jesosy hoe: \u201cIanao mihitsy ve no te hahafantatra, sa naheno resak\u2019olona momba ahy fotsiny ianao?\u201d",
"35": "Ary namaly i Pilato hoe: \u201cIzaho ange tsy Jiosy\u00a0e! Ny firenenao sy ny lehiben\u2019ny mpisorona ihany no nanolotra anao tamiko. Fa inona no nataonao?\u201d",
"36": "Hoy i Jesosy: \u201cTsy anisan\u2019izao tontolo izao ny Fanjakako. Raha anisan\u2019izao tontolo izao ny Fanjakako, dia ho niady ny mpanara-dia ahy mba tsy ho natolotra tamin\u2019ny Jiosy aho. Tsy avy amin\u2019izao tontolo izao anefa ny Fanjakako.\u201d",
"37": "Dia hoy i Pilato: \u201cMpanjaka ve izany ianao?\u201d Ary hoy i Jesosy: \u201cVoalazanao fa mpanjaka aho. Izao no antony nahaterahako, ary izao no antony nahatongavako eto amin\u2019izao tontolo izao, dia ny hampahafantatra ny marina. Ary mihaino ny feoko izay rehetra miandany amin\u2019ny marina.\u201d",
"38": "Hoy i Pilato: \u201cFa inona ny marina?\u201d Nivoaka teo amin\u2019ny Jiosy indray i Pilato rehefa avy niteny an\u2019izany, ka hoy izy: \u201cTsy hitako izay fahadisoan\u2019io lehilahy io.",
"39": "Sady raha araka ny fanaonareo, dia tokony hanafaka olona iray ho anareo aho rehefa Paska. Ka sao dia mba tianareo hafahako ho anareo ilay Mpanjakan\u2019ny Jiosy?\u201d",
"40": "Niantsoantso mafy indray anefa ireo hoe: \u201cTsy io lehilahy io, fa i Barabasy!\u201d Jiolahy anefa i Barabasy."
},
"19": {
"1": "Nalain\u2019i Pilato i Jesosy avy eo, dia nokaravasiny.",
"2": "Ary nandrandrana fehiloha tsilo ny miaramila ka nataony teo amin\u2019ny lohan\u2019i Jesosy, sady nampitafiany lamba volomparasy izy.",
"3": "Nankeo aminy izy ireo ka niteny hoe: \u201cMiarahaba anao, ry Mpanjakan\u2019ny Jiosy!\u201d Namely tehamaina azy imbetsaka koa ireo.",
"4": "Nivoaka indray i Pilato, ka hoy izy tamin\u2019ny vahoaka: \u201cHoentiko mivoaka eto aminareo \u00e0ry izy, amin\u2019izay ho fantatrareo fa tsy hitako izay fahadisoany.\u201d",
"5": "Dia nivoaka i Jesosy. Nisy fehiloha tsilo teo amin\u2019ny lohany, ary nitafy lamba volomparasy izy. Ary hoy i Pilato tamin\u2019ny olona: \u201cIo \u00e0ry ny lehilahy!\u201d",
"6": "Rehefa hitan\u2019ny lehiben\u2019ny mpisorona sy ny mpiambina anefa izy, dia niantsoantso ireo hoe: \u201cFantsiho eo amin\u2019ny tsato-kazo izy! Fantsiho eo amin\u2019ny tsato-kazo!\u201d Hoy i Pilato: \u201cEnto izy dia vonoy, fa raha izaho, tsy hitako izay fahadisoany.\u201d",
"7": "Hoy anefa ny Jiosy: \u201cManana lal\u00e0na izahay, ary araka ilay lal\u00e0na dia tokony ho faty izy, satria izy niteny hoe zanak\u2019Andriamanitra, hono, izy.\u201d",
"8": "Vao mainka natahotra i Pilato rehefa naheno an\u2019izany tenin\u2019izy ireo izany.",
"9": "Niditra tao an-tranon\u2019ny governora indray \u00e0ry izy, dia nanontany an\u2019i Jesosy hoe: \u201cFa avy aiza ianao?\u201d Tsy namaly anefa i Jesosy.",
"10": "Dia hoy i Pilato: \u201cTsy hamaly ve izany ianao? Tsy fantatrao angaha fa manana fahefana hanafaka anao aho, sady manana fahefana hamono anao?\u201d",
"11": "Ary namaly i Jesosy hoe: \u201cTsy ho nanana fahefana tamiko mihitsy ianao, raha tsy nomena anao avy tany ambony izany. Ilay olona nanolotra ahy taminao \u00e0ry no meloka kokoa.\u201d",
"12": "Izany no nahatonga an\u2019i Pilato hitady fomba hanafahana azy foana. Niantsoantso anefa ny Jiosy hoe: \u201cTsy naman\u2019i Kaisara ianao raha afahanao io, satria manohitra an\u2019i Kaisara izay milaza ny tenany hoe mpanjaka.\u201d",
"13": "Nentin\u2019i Pilato nivoaka i Jesosy, rehefa henony izany. Nipetraka teo amin\u2019ny toeram-pitsarana izy, teo amin\u2019ny toerana antsoina hoe Tokotany Vato, izay atao amin\u2019ny teny hebreo hoe Gabata.",
"14": "Andro Fiomanana ho amin\u2019ny Paska tamin\u2019izay, tamin\u2019ny ora fahenina teo ho eo. Ary hoy i Pilato tamin\u2019ny Jiosy: \u201cIo ny mpanjakanareo!\u201d",
"15": "Niantsoantso mafy anefa ireo hoe: \u201cVonoy io! Vonoy any io! Fantsiho eo amin\u2019ny tsato-kazo!\u201d Hoy anefa i Pilato: \u201cDia hovonoiko ve izany ny mpanjakanareo?\u201d Ary namaly ny lehiben\u2019ny mpisorona hoe: \u201cTsy manana mpanjaka afa-tsy i Kaisara izahay.\u201d",
"16": "Dia natolony azy ireo izy mba hovonoina teo amin\u2019ny tsato-kazo. Nentin\u2019ireo \u00e0ry i Jesosy.",
"17": "Dia nitondra an\u2019ilay hazo fijaliana izy, ka nankany amin\u2019ilay toerana atao hoe Ikarandoha, na hoe Golgota amin\u2019ny teny hebreo.",
"18": "Teo i Jesosy no nofantsihan\u2019izy ireo teo amin\u2019ny tsato-kazo, niaraka tamin\u2019ny lehilahy anankiroa, ka ny iray teo ankavanany ary ny iray teo ankaviany, fa izy no teo afovoany.",
"19": "Nisy soratra nataon\u2019i Pilato koa napetany teo amin\u2019ilay hazo fijaliana, hoe: \u201cJesosy avy any Nazareta, Mpanjakan\u2019ny Jiosy.\u201d",
"20": "Be dia be ny Jiosy namaky an\u2019ilay soratra, satria teo akaikin\u2019ny tan\u00e0na ilay toerana namantsihana an\u2019i Jesosy teo amin\u2019ny tsato-kazo. Nosoratana tamin\u2019ny teny hebreo sy latinina ary grika koa ilay izy.",
"21": "Hoy anefa ny lehiben\u2019ny mpisoron\u2019ny Jiosy tamin\u2019i Pilato: \u201cAza atao hoe \u2018Mpanjakan\u2019ny Jiosy\u2019, fa ovao an\u2019ilay nolazainy hoe \u2018Mpanjakan\u2019ny Jiosy aho.\u2019\u201d",
"22": "Hoy anefa i Pilato: \u201cIzay voasoratro dia voasoratro.\u201d",
"23": "Rehefa voafantsiky ny miaramila teo amin\u2019ny tsato-kazo i Jesosy, dia nalain\u2019izy ireo ny akanjony ivelany, ary nozarainy efatra ka samy nahazo ny miaramila tsirairay. Nalain\u2019ireo koa ny akanjony anatiny. Tsy nisy zaitra anefa io akanjo io, fa tenona iray ihany hatrany ambony ka hatrany ambany.",
"24": "Nifampiresaka \u00e0ry izy ireo hoe: \u201cAleo tsy horovitintsika ity, fa andao isika hanao antsapaka dia ho hitantsika hoe iza no hahazo azy.\u201d Nitranga izany mba ho tanteraka ny Soratra Masina hoe: \u201cNifampizaran\u2019izy ireo ny fitafiako, ary nanaovany antsapaka ny akanjoko.\u201d Dia izany tokoa no nataon\u2019ny miaramila.",
"25": "Nitsangana teo akaikin\u2019ny hazo fijalian\u2019i Jesosy ny reniny sy ny rahavavin-dreniny, ary Maria vadin\u2019i Klopa sy Maria Magdalena.",
"26": "Rehefa hitan\u2019i Jesosy nijoro teo \u00e0ry ny reniny sy ilay mpianatra tiany, dia hoy izy tamin-dreniny: \u201cRavehivavy, io ny zanakao!\u201d",
"27": "Hoy indray izy avy eo tamin\u2019ilay mpianatra: \u201cIo ny reninao!\u201d Dia nentin\u2019ilay mpianatra tany aminy ilay vehivavy nanomboka teo.",
"28": "Taorian\u2019izay, dia fantatr\u2019i Jesosy fa efa vitany daholo hatreto ny zavatra nasain\u2019ny Rainy nataony. Dia hoy izy: \u201cMangetaheta aho.\u201d Nilaza an\u2019izany izy mba ho tanteraka ny Soratra Masina.",
"29": "Nisy divay marikivy eran\u2019ny siny teo. Koa natsoboky ny olona tao anatin\u2019ilay divay marikivy ny spaonjy, dia nataony teo amin\u2019ny tahona hysopa ka natohony tamin\u2019ny vavan\u2019i Jesosy.",
"30": "Rehefa avy nanandrana an\u2019ilay divay i Jesosy, dia hoy izy: \u201cVita!\u201d Ary nanondrika ny lohany izy dia tapitra ny ainy.",
"31": "Andro Fiomanana tamin\u2019izay, ka nangataka tamin\u2019i Pilato ny Jiosy mba hasaina hotapahina ny ranjon\u2019ireo natao teo amin\u2019ny hazo fijaliana, dia hesorina ny faty. Amin\u2019izay tsy hisy ho tavela eo amin\u2019ny hazo fijaliana ireo faty ireo amin\u2019ny andro sabata\u2014fa Sabata lehibe io.\u2014",
"32": "Tonga \u00e0ry ny miaramila ka notapahiny ny ranjon\u2019ilay voalohany sy ny ranjon\u2019ilay anankiray natao teo amin\u2019ny tsato-kazo, teo akaikin\u2019i Jesosy.",
"33": "Rehefa tonga teo amin\u2019i Jesosy anefa izy ireo, dia hitany fa efa maty izy ka tsy notapahiny ny ranjony.",
"34": "Mbola nolefonin\u2019ny iray tamin\u2019ireo miaramila ihany anefa ny takibany, ka tonga\u00a0dia nisy ra sy rano nivoaka.",
"35": "Ary vavolombelon\u2019izany ilay nahita maso, sady marina ny teniny. Fantany koa fa marina izay lazainy, ary milaza an\u2019izany izy mba hinoanareo koa.",
"36": "Nitranga izany mba ho tanteraka ny Soratra Masina hoe: \u201cTsy hisy ho tapaka ny taolany.\u201d",
"37": "Eo koa ilay andininy milaza hoe: \u201cHijery an\u2019ilay olona nolefoniny izy ireo.\u201d",
"38": "Taorian\u2019izany, dia nangataka tamin\u2019i Pilato i Josefa avy any Arimatia, raha azony esorina ny fatin\u2019i Jesosy. Mpianatr\u2019i Jesosy io Josefa io, saingy tsy niteniteny izy noho ny fahatahorany ny Jiosy. Navelan\u2019i Pilato hanao an\u2019izany i Josefa, ka tonga nanala an\u2019ilay faty.",
"39": "Tonga koa i Nikodemosy, nitondra miora sy aloesy nafangaro, izay nilanja 100\u00a0livatra teo ho eo. Izy ilay lehilahy tonga alina tao amin\u2019i Jesosy tamin\u2019ny voalohany.",
"40": "Nalain\u2019izy roa lahy \u00e0ry ny fatin\u2019i Jesosy, dia nofonosiny lamba rongony niaraka tamin\u2019ny zava-manitra, araka ny fanaon\u2019ny Jiosy rehefa mandevina.",
"41": "Nisy zaridaina teo amin\u2019ilay toerana namonoana azy, ary nisy fasana vaovao mbola tsy nandevenana mihitsy tao amin\u2019ilay zaridaina.",
"42": "Andro Fiomanan\u2019ny Jiosy tamin\u2019izay, sady teo akaiky teo ilay fasana, ka naleviny tao i Jesosy."
},
"20": {
"1": "Tamin\u2019ny andro voalohany amin\u2019ny herinandro, dia nankany am-pasana vao maraina be i Maria Magdalena, raha mbola maizimaizina ny andro. Dia hitany fa efa nisy nanala ilay vato teo amin\u2019ny fasana.",
"2": "Lasa \u00e0ry izy nihazakazaka nankany amin\u2019i Simona Petera sy ilay mpianatra anankiray tian\u2019i Jesosy, ka niteny hoe: \u201cNisy naka tao am-pasana ny Tompo, dia tsy fantatray izay nametrahany azy.\u201d",
"3": "Dia nankany am-pasana i Petera sy ilay mpianatra.",
"4": "Nihazakazaka izy roa lahy, nefa haingana kokoa noho i Petera ilay mpianatra, ka izy no tonga voalohany tany am-pasana.",
"5": "Rehefa niondrika nijery iny izy, dia nahita ny lamba rongony nipetraka teo, nefa tsy niditra.",
"6": "Tonga koa i Simona Petera, nanaraka azy, dia niditra tao am-pasana. Nahita an\u2019ilay lamba rongony nipetraka teo koa izy.",
"7": "Tsy teo akaikin\u2019ilay fehim-paty ilay lamba natao teo amin\u2019ny lohan\u2019i Jesosy, fa nivalona nitokana.",
"8": "Niditra koa avy eo ilay mpianatra anankiray tonga voalohany teo am-pasana, dia nahita ka nino an\u2019izay nolazaina taminy.",
"9": "Mbola tsy azon\u2019izy ireo anefa ilay nolazain\u2019ny Soratra Masina hoe tsy maintsy hitsangana amin\u2019ny maty izy.",
"10": "Samy nandeha nody \u00e0ry ireo mpianatra ireo.",
"11": "Mbola nijoro nitomany teo ivelan\u2019ilay fasana anefa i Maria. Sady nitomany izy no niondrika nijery tao am-pasana,",
"12": "ka nahita anjely roa niakanjo fotsy nipetraka teo amin\u2019ilay nametrahana ny fatin\u2019i Jesosy: Ny iray teo an-doha, ary ny iray teo an-tongotra.",
"13": "Hoy izy ireo: \u201cFa maninona ianao no mitomany, ravehivavy?\u201d Dia hoy izy: \u201cNisy naka tsinona ny Tompoko, dia tsy fantatro izay nametrahany azy.\u201d",
"14": "Nitodika izy avy eo rehefa avy niteny an\u2019izany, ka nahita an\u2019i Jesosy nijoro teo, nefa tsy tonga saina izy hoe i Jesosy io.",
"15": "Hoy i Jesosy: \u201cFa maninona ianao no mitomany, ravehivavy? Fa iza no tadiavinao?\u201d Noheverin\u2019i Maria fa mpanao zaridaina izy, ka hoy izy: \u201cRaha ianao, tompoko, no naka azy, dia mba lazao amiko izay nametrahanao azy mba hakako azy.\u201d",
"16": "Hoy i Jesosy: \u201cMaria!\u201d Dia nitodika i Maria ka niteny tamin\u2019ny teny hebreo hoe: \u201cRab\u00f4ny!\u201d, izay midika hoe \u201cMpampianatra!\u201d",
"17": "Dia hoy i Jesosy: \u201cAza tazonina intsony aho, fa mbola tsy niakatra tany amin\u2019ny Ray. Fa mandehana any amin\u2019ny rahalahiko dia teneno ry\u00a0zareo hoe: \u2018Handeha ho any amin\u2019ny Raiko sy ny Rainareo aho, dia ho any amin\u2019ilay Andriamanitro sady Andriamanitrareo.\u2019\u201d",
"18": "Dia lasa nitondra an\u2019izany vaovao izany tany amin\u2019ny mpianatra i Maria Magdalena, ka hoy izy: \u201cNahita ny Tompo aho!\u201d Notantarainy azy ireo koa ny zavatra notenenin\u2019i Jesosy.",
"19": "Rehefa hariva ny andro, tamin\u2019io andro voalohany amin\u2019ny herinandro io, dia tonga i Jesosy ka nitsangana teo afovoan\u2019ny mpianatra. Nihidy tao an-trano izy ireo tamin\u2019izay noho ny fahatahorany ny Jiosy. Dia hoy i Jesosy: \u201cFiadanana anie ho anareo!\u201d",
"20": "Rehefa avy niteny an\u2019izany izy, dia nasehony azy ireo ny tanany sy ny takibany. Dia faly ny mpianatra nahita ny Tompo.",
"21": "Hoy indray i Jesosy: \u201cFiadanana anie ho anareo! Naniraka ahy ny Ray, dia izaho koa maniraka anareo.\u201d",
"22": "Nitsoka rivotra tamin\u2019izy ireo izy rehefa avy nilaza an\u2019izany, ka niteny hoe: \u201cRaiso ny fanahy masina.",
"23": "Izay fahotana avelanareo dia ho voavela, fa izay tsy avelanareo kosa tsy ho voavela.\u201d",
"24": "Tsy niaraka tamin\u2019ny mpianatra anefa i Tomasy tamin\u2019i Jesosy tonga teo amin\u2019izy ireo. Anisan\u2019ny 12\u00a0Lahy io Tomasy io, ary antsoina koa hoe Ikambana.",
"25": "Hoy ny mpianatra taminy: \u201cNahita ny Tompo izahay!\u201d Hoy anefa izy: \u201cTsy hino an\u2019izany mihitsy aho raha tsy hitako ilay diam-pantsika eo amin\u2019ny tanany, dia ataoko eo amin\u2019ilay diam-pantsika ny rantsantanako, ary ataoko eo amin\u2019ny takibany ny tanako.\u201d",
"26": "Tao an-trano indray ny mpianany, valo andro taorian\u2019izay, ary tao koa i Tomasy. Dia tonga i Jesosy, na dia nihidy aza ny varavarana, ka nitsangana teo afovoan\u2019izy ireo sady niteny hoe: \u201cFiadanana anie ho anareo!\u201d",
"27": "Hoy izy avy eo tamin\u2019i Tomasy: \u201cAtaovy eto ny rantsantananao, dia jereo ny tanako, ary ataovy eto amin\u2019ny takibako ny tananao. Dia aza misalasala intsony fa mba minoa amin\u2019izay.\u201d",
"28": "Dia hoy i Tomasy: \u201cTompoko sy Andriamanitro!\u201d",
"29": "Ary hoy i Jesosy: \u201cIlay ianao nahita ahy ve no mahatonga anao hino? Sambatra izay tsy nahita nefa mino.\u201d",
"30": "Mbola nanao famantarana be dia be teo anatrehan\u2019ny mpianatra koa i Jesosy, nefa tsy voasoratra ato amin\u2019ity horonam-boky ity izany.",
"31": "Nosoratana anefa ireo mba hinoanareo fa i Jesosy no Kristy Zanak\u2019Andriamanitra. Dia rehefa mino ianareo, dia hahazo fiainana amin\u2019ny anarany."
},
"21": {
"1": "Taorian\u2019izay, dia niseho tamin\u2019ny mpianatra indray i Jesosy, teo amin\u2019ny Ranomasin\u2019i Tiberiasy. Hoatr\u2019izao no fomba nisehoany:",
"2": "Niaraka i Simona Petera, sy Tomasy\u2014ilay antsoina koa hoe Ikambana\u2014, sy Natanaela avy any Kana, any Galilia, sy ireo zanakalahin\u2019i Zebedio, ary ny mpianatra roa hafa.",
"3": "Hoy i Simona Petera: \u201cHandeha hanarato aho.\u201d \u201cIzahay koa hiaraka aminao\u201d, hoy ny sasany. Dia lasa izy ireo ka nankao anaty sambokely, nefa tsy nahazo na inona na inona tamin\u2019iny alina iny.",
"4": "Raha vao maraina anefa ny andro, dia nijoro teo amin\u2019ny torapasika i Jesosy, nefa tsy tonga saina ny mpianatra hoe i Jesosy io.",
"5": "Ary hoy i Jesosy: \u201cManana zavatra azo hanina ve ianareo, anaka?\u201d Dia namaly izy ireo hoe: \u201cTsy manana!\u201d",
"6": "Hoy izy: \u201cAtsipazo eo ankavanan\u2019ny sambokely ny harato fa hahazo ianareo.\u201d Dia natsipin\u2019izy ireo ilay harato, ka tsy zakany nampiakarina satria be loatra ny trondro.",
"7": "Avy eo dia hoy ilay mpianatra tian\u2019i Jesosy tamin\u2019i Petera: \u201cNy Tompo io!\u201d Vao henon\u2019i Simona Petera fa ny Tompo io, dia nanaovany ny akanjony ivelany, satria tsy niakanjo izy. Dia nitsoraka tao anaty ranomasina izy.",
"8": "Ny mpianatra hafa kosa nandeha tamin\u2019ilay sambokely, sady nisintona an\u2019ilay harato feno trondro. Tsy lavitra ny tanety mantsy no nisy azy ireo, fa tany amin\u2019ny 90\u00a0metatra teo ho eo fotsiny.",
"9": "Rehefa niakatra teny an-tanety izy ireo, dia nahita afon-tsaribao nisy trondro teo amboniny, sy mofo.",
"10": "Hoy i Jesosy: \u201cItondray amin\u2019ny trondro vao azonareo aho.\u201d",
"11": "Nankao amin\u2019ilay sambokely \u00e0ry i Simona Petera, ka nitaritarika an\u2019ilay harato nankeny an-tanety. Feno trondro vaventy 153 ilay izy. Tsy rovitra ilay harato na be dia be aza ny trondro tao.",
"12": "Hoy i Jesosy: \u201cAvia hisakafo maraina.\u201d Tsy nisy sahy nanontany anefa izy ireo hoe: \u201cIza ianao?\u201d, satria fantany hoe ny Tompo io.",
"13": "Dia nalain\u2019i Jesosy ny mofo ka nomeny azy ireo. Hoatr\u2019izany koa ny trondro.",
"14": "Tamin\u2019io i Jesosy no niseho fanintelony tamin\u2019ny mpianany, taorian\u2019ny nananganana azy tamin\u2019ny maty.",
"15": "Rehefa avy nisakafo maraina izy ireo, dia hoy i Jesosy tamin\u2019i Simona Petera: \u201cSimona zanak\u2019i Jaona\u00a0a, tia ahy mihoatra noho ny itiavanao an\u2019iretsy ve ianao?\u201d Dia hoy izy: \u201cIe, fantatrao fa miraiki-po aminao aho, Tompo\u00a0\u00f4!\u201d Hoy i Jesosy: \u201cFahano \u00e0ry ny zanak\u2019ondriko.\u201d",
"16": "Hoy indray izy fanindroany: \u201cSimona zanak\u2019i Jaona, tia ahy ve ianao?\u201d Dia hoy izy: \u201cIe, fantatrao fa miraiki-po aminao aho, Tompo\u00a0\u00f4!\u201d Hoy i Jesosy: \u201cAndraso \u00e0ry ny ondrikeliko.\u201d",
"17": "Hoy izy fanintelony: \u201cSimona zanak\u2019i Jaona, miraiki-po amiko ve ianao?\u201d Dia nalahelo i Petera noho izy nanontany fanintelony hoe: \u201cMiraiki-po amiko ve ianao?\u201d Hoy \u00e0ry izy: \u201cTompo\u00a0\u00f4, mahalala ny zava-drehetra ianao. Fantatrao fa miraiki-po aminao aho.\u201d Hoy i Jesosy: \u201cFahano \u00e0ry ny ondrikeliko.",
"18": "Lazaiko marimarina aminao fa tamin\u2019ianao mbola tanora kokoa, dia ianao ihany no nampiakanjo ny tenanao, ary nankany amin\u2019izay tianao haleha ianao. Fa rehefa mihantitra ianao, dia hanatsotra ny tananao, ka olon-kafa no hampiakanjo anao sy hitondra anao any amin\u2019izay tsy tianao haleha.\u201d",
"19": "Niteny an\u2019izany izy mba hilazana ny fomba hahafatesan\u2019i Petera ka hanomezany voninahitra an\u2019Andriamanitra amin\u2019izany. Rehefa avy nilaza an\u2019izany izy, dia niteny tamin\u2019i Petera hoe: \u201cManaraha ahy foana.\u201d",
"20": "Nitodika i Petera avy eo, dia hitany nanaraka tao aoriana ilay mpianatra tian\u2019i Jesosy, ilay niankina teo an-tratrany tamin\u2019ilay sakafo hariva sady nanontany hoe: \u201cTompo\u00a0\u00f4, iza ilay hamadika anao?\u201d",
"21": "Rehefa nahita an\u2019ilay mpianatra \u00e0ry i Petera, dia hoy izy tamin\u2019i Jesosy: \u201cTompo\u00a0\u00f4, ary ahoana ny amin\u2019itsy?\u201d",
"22": "Dia hoy i Jesosy: \u201cMampaninona anao moa raha mbola tiako ho eo foana izy rehefa tonga aho? Fa manaraha ahy foana fotsiny ianao.\u201d",
"23": "Dia nandeha ny resaka teo amin\u2019ny mpanara-dia an\u2019i Jesosy hoe tsy ho faty, hono, ilay mpianatra. Tsy niteny anefa i Jesosy hoe tsy ho faty izy, fa hoe: \u201cMampaninona anao moa raha mbola tiako ho eo foana izy rehefa tonga aho?\u201d",
"24": "Io ilay mpianatra mijoro ho vavolombelon\u2019izany rehetra izany sady nanoratra an\u2019izany. Ary fantatray fa marina ny teniny.",
"25": "Misy zavatra hafa be dia be koa nataon\u2019i Jesosy, ary raha nosoratana tamin\u2019ny an-tsipiriany daholo ireny, dia ataoko fa na izao tontolo izao aza tsy ho omby ny horonam-boky voasoratra."
},
"meta": {
"name": "Jaona",
"order": 42,
"chapter_number": 21
}
}