UNPKG

mg-bibles

Version:

A package for accessing Bible verses in Malagasy (MG), Diem, King James (KJV), and Louis Segond (APEE) versions

126 lines (125 loc) 17.8 kB
{ "1": { "1": "Avy amin\u2019i Jakoba, mpanompon\u2019Andriamanitra sy mpanompon\u2019i Jesosy Kristy Tompo. Ho an\u2019ny foko 12 any am-pielezana, Miarahaba anareo!", "2": "Rehefa sendra fitsapana isan-karazany ianareo, ry\u00a0rahalahiko, dia raiso ho fifaliana be izany.", "3": "Fantatrareo mantsy fa lasa mahay miaritra ianareo rehefa vita sedra ny finoanareo.", "4": "Avelao hamita ny asany anefa ny fiaretana, amin\u2019izay ianareo ho lasa lavorary sy tsy hisy tsiny amin\u2019ny lafiny rehetra, ka tsy hisy tsy ampy ao aminareo.", "5": "Koa raha misy aminareo tsy ampy fahendrena, dia aoka izy hangataka an\u2019izany foana amin\u2019Andriamanitra, satria malala-tanana amin\u2019ny olona rehetra Andriamanitra sady tsy manome tsiny. Dia homena azy izany.", "6": "Aoka anefa izy hangataka amim-pinoana foana, ary tsy hisalasala mihitsy, fa izay misalasala dia hoatran\u2019ny onjan-dranomasina entin\u2019ny rivotra ka atopatopany.", "7": "Tsy tokony hanantena hahazo na inona na inona avy amin\u2019i Jehovah ny olona hoatr\u2019izany,", "8": "fa olona misalasala izy, ary miovaova amin\u2019izay rehetra ataony.", "9": "Aoka hifaly izay rahalahy mahantra satria misandratra,", "10": "ary izay mpanankarena satria mietry. Ho levona hoatran\u2019ny voninkazo eny an-tsaha mantsy ny mpanankarena.", "11": "Fa rehefa miposaka ny masoandro ka tena mandoro ny hafanany, dia malazo ny zavamaniry ka mihintsana ny voniny ary levona ny hatsaran-tarehiny. Halazo hoatr\u2019izany koa izay mpanankarena variana mikatsaka harena.", "12": "Sambatra izay olona miaritra foana rehefa misy fitsapana, satria rehefa ankasitrahana izy, dia hahazo ny satroboninahitry ny fiainana, izay nampanantenain\u2019i Jehovah an\u2019izay tia Azy foana.", "13": "Raha misy olona miatrika zava-tsarotra, dia tsy tokony hiteny izy hoe: \u201cFitsapana avy amin\u2019Andriamanitra izao.\u201d Sady tsy azo tsapaina amin\u2019ny zava-dratsy mantsy Andriamanitra, no tsy mitsapa na iza na iza amin\u2019ny zava-dratsy koa.", "14": "Tsapaina anefa ny tsirairay rehefa voasariky ny faniriany sy manaiky ho resin\u2019izany.", "15": "Ary ny faniriana rehefa avela hitombo dia miteraka ota, ary ny ota kosa rehefa tanterahina dia mahatonga fahafatesana.", "16": "Aza manaiky ho voafitaka ianareo, ry\u00a0rahalahy malala.", "17": "Avy any ambony ny fanomezana tsara rehetra sy ny fanomezana tonga lafatra rehetra, izany hoe midina avy any amin\u2019ilay Rain\u2019ny fahazavana eny amin\u2019ny lanitra. Tsy miovaova hoatran\u2019ny aloka mifindrafindra izy.", "18": "Efa sitrapony ny niteraka antsika tamin\u2019ny alalan\u2019ny tenin\u2019ny fahamarinana. Amin\u2019izay isika dia ho anisan\u2019ny voaloham-bokatra amin\u2019ny zavaboariny.", "19": "Fantaro izao, ry rahalahy malala: Aoka ny olona rehetra ho vonona hihaino, sady tsy ho maimaika hiteny, ary tsy ho mora tezitra,", "20": "fa lasa tsy manao ny marina eo imason\u2019Andriamanitra ny olona rehefa tezitra.", "21": "Koa esory daholo ny fahalotoana rehetra sy izay faharatsiana sisa tavela ao aminareo. Dia ekeo amim-pahalemem-panahy ny teny ambolen\u2019Andriamanitra ao am-ponareo, satria afaka mamonjy anareo izy io.", "22": "Tokony ho mpankat\u00f2 ny teny ianareo, fa tsy ho mpihaino fotsiny, ka hamita-tena amin\u2019ny hevi-diso.", "23": "Fa raha misy mpihaino ny teny fa tsy mpankat\u00f2, dia hoatran\u2019ny olona mijery ny tarehiny eo amin\u2019ny fitaratra izy.", "24": "Mijery ny endriny izy dia lasa, ary tonga dia hadinony hoe hoatran\u2019ny ahoana izy.", "25": "Fa izay mandinika tsara an\u2019ilay lal\u00e0na tonga lafatra izay manafaka ny olona, ka manaraka an\u2019izany foana, dia lasa mpankat\u00f2 ny teny fa tsy mpihaino manadino. Ho sambatra izy rehefa mankat\u00f2.", "26": "Raha misy olona mieritreritra hoe mpivavaka amin\u2019Andriamanitra nefa tsy mahafehy ny vavany, dia mamitaka ny fony izy, ary tsy misy dikany ny fivavahany.", "27": "Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo imason\u2019ilay Andriamanitra Raintsika: Ny mikarakara ny kamboty sy ny vehivavy mpitondratena ao anatin\u2019ny fahoriany, ary ny miaro tena foana tsy ho voapentimpentin\u2019izao tontolo izao." }, "2": { "1": "Ry rahalahiko, manam-pinoana an\u2019i Jesosy Kristy Tompontsika be\u00a0voninahitra ianareo, nefa nahoana no mbola manavakavaka ihany?", "2": "Raha misy olona manao peratra volamena sy akanjo tsara\u00a0be, ohatra, tonga ao amin\u2019ny fivorianareo, ary misy mahantra maloto akanjo koa miditra ao,", "3": "dia ilay manao akanjo tsara\u00a0be ve no tianareo kokoa, ka teneninareo hoe: \u201cMipetraha ianao eto amin\u2019ny toerana tsara eto\u201d, fa ilay mahantra kosa teneninareo hoe: \u201cMijoroa eo ihany ianao\u201d, na hoe: \u201cMipetraha etsy ambany etsy, eo akaikin\u2019ny fitoeran-tongotro\u201d?", "4": "Raha izany, tsy efa manavakavaka ve ianareo sady lasa mpitsara miangatra?", "5": "Henoy izao, ry rahalahy malala: Tsy izay heverin\u2019izao tontolo izao hoe mahantra ve no nofidin\u2019Andriamanitra hanan-karena amin\u2019ny finoana, sy ho mpandova an\u2019ilay Fanjakana nampanantenainy an\u2019izay tia azy?", "6": "Tsy manaja ny mahantra anefa ianareo. Angaha tsy ny mpanankarena no mampijaly anareo sy mitaritarika anareo ho any amin\u2019ny fitsarana?", "7": "Tsy manevateva an\u2019ilay anarana tsara niantsoana anareo ve izy ireny?", "8": "Tena tsara anefa ny ataonareo raha mankat\u00f2 an\u2019ilay lal\u00e0n\u2019ny mpanjaka voalazan\u2019ny Soratra Masina ianareo, dia ilay hoe: \u201cTiavo ny namanao tahaka ny tenanao.\u201d", "9": "Manota ianareo raha mbola manavakavaka foana, ary asehon\u2019ny lal\u00e0na hoe mpandika lal\u00e0na.", "10": "Na iza na iza mankat\u00f2 ny Lal\u00e0na rehetra, nefa diso amin\u2019ny iray fotsiny, dia lasa meloka amin\u2019izy rehetra izy.", "11": "Fa ilay niteny hoe: \u201cAza manitsakitsa-bady\u201d, no niteny koa hoe: \u201cAza mamono olona.\u201d Raha tsy manitsakitsa-bady ianao nefa mamono olona, dia lasa mpandika lal\u00e0na.", "12": "Asehoy foana amin\u2019izay lazainareo sy ataonareo \u00e0ry fa hotsarain\u2019ilay lal\u00e0na arahin\u2019ny olona afaka ianareo.", "13": "Hotsaraina tsy misy indrafo mantsy ny olona tsy mpamindra\u00a0fo. Fa izay mamindra fo no ho tafavoaka rehefa tsaraina.", "14": "Ry rahalahiko, inona moa ny soa azon\u2019izay milaza hoe manam-pinoana, nefa tsy mampiseho an\u2019izany amin\u2019ny ataony? Hahavonjy azy ve izany finoana izany?", "15": "Raha misy rahalahy na anabavy tsy manana akanjo sady tsy ampy sakafo isan\u2019andro,", "16": "ary misy aminareo miteny aminy hoe: \u201cMirary soa\u00a0e! Enga anie ianareo hafana sy ho voky tsara foana!\u201d, kanefa tsy omenareo azy izay ilain\u2019ny vatany, dia inona moa ny soa azo avy amin\u2019izany?", "17": "Dia hoatr\u2019izany koa ny finoana: Maty izy io raha tsy aseho amin\u2019ny atao.", "18": "Hisy hiteny anefa hoe: \u201cIanao mino fotsiny, fa ny ahy kosa ny finoana asehoko amin\u2019ny ataoko. Asehoy ahy amin\u2019izao fotsiny \u00e0ry ny finoanao, fa ny ahy indray ny finoako hasehoko amin\u2019ny ataoko.\u201d", "19": "Mino ve ianao fa misy Andriamanitra tokana? Tena tsara izany. Ny demonia koa anefa mba mino ka mangovitra.", "20": "Mba fantatrao moa, ry\u00a0tsisy saina, fa tsy misy dikany ny finoana raha tsy aseho amin\u2019ny atao?", "21": "Tsy nolazaina hoe olo-marina ve i Abrahama raintsika noho izay nataony, rehefa avy nanolotra an\u2019i Isaka zanany teo ambony alitara izy?", "22": "Hitanao fa nasehony tamin\u2019ny zavatra nataony hoe nanam-pinoana izy, ka lasa lavorary ny finoany noho izay nataony.", "23": "Tanteraka \u00e0ry ny voalazan\u2019ny Soratra Masina hoe: \u201cNaneho finoana an\u2019i Jehovah i Abrahama, ka nekena hoe olo-marina.\u201d Dia nantsoina hoe naman\u2019i Jehovah izy.", "24": "Hitanareo \u00e0ry fa lazaina hoe olo-marina ny olona noho izay ataony, fa tsy noho ny finoany fotsiny.", "25": "Hoatr\u2019izany koa i Rahaba mpivaro-tena: Tsy nolazaina hoe olo-marina ve izy noho izay nataony rehefa avy nandray tsara an\u2019ireo iraka tonga tao aminy, ka nandefa azy ireo tany amin\u2019ny lalan-kafa?", "26": "Eny tokoa, maty ny vatana raha tsy misy aina, ary maty hoatr\u2019izany koa ny finoana raha tsy aseho amin\u2019ny atao." }, "3": { "1": "Ry rahalahiko, tsy tokony ho be dia be ianareo no ho lasa mpampianatra. Fantatrareo mantsy fa ho mafy kokoa ny hitsarana antsika mpampianatra.", "2": "Fa manao fahadisoana imbetsaka isika rehetra. Raha misy tsy manao fahadisoana amin\u2019izay lazainy, dia izy no olona lavorary, sady mahafehy ny tenany manontolo.", "3": "Raha asiantsika lamboridy ny vavan\u2019ny soavaly mba hahatonga azy hanaiky antsika, dia ny vatany manontolo koa no ho azontsika baikoina.", "4": "Jereo koa ange ny sambo\u00a0e! Na ngezabe aza ireny sady atosiky ny rivotra mahery, dia familiana kely fotsiny no itondran\u2019ny mpanamory azy ho any amin\u2019izay tiany.", "5": "Hoatr\u2019izany koa ny lela: Kely io taova io ao amin\u2019ny vatana, nefa mirehareha\u00a0be. Jereo ange ny afo\u00a0e! Kely fotsiny dia efa mandoro ala be.", "6": "Afo koa ny lela. Amin\u2019ny taova rehetra amin\u2019ny vatantsika, dia ny lela no fototry ny faharatsiana rehetra. Mandoto ny vatana manontolo mantsy ny lela, nefa koa mandrehitra ny fiainana manontolo sady arehitry ny Gehena.", "7": "Azo folahina daholo ny karazana bibidia sy vorona sy biby mandady ary biby any an-dranomasina rehetra, ary efa voafolaky ny olombelona ireny.", "8": "Tsy misy olombelona mahafolaka ny lela anefa. Tsy voafehy izy io sady manimba, ary feno poizina mahafaty.", "9": "Izy io no iderantsika an\u2019i Jehovah Raintsika. Izy io koa anefa no anozonantsika ny olona, izay noforonina mba \u201chisy hitovizana amin\u2019Andriamanitra.\u201d", "10": "Vava iray ihany no iderana sy anozonana. Tsy mety raha izany no mitranga, ry\u00a0rahalahiko.", "11": "Loharano iray ihany ve dia hampiboiboika rano mamy sy rano mangidy avy eo amin\u2019ny vavany iray ihany?", "12": "Ry\u00a0rahalahiko, aviavy ve dia hamoa oliva, ary voaloboka ve dia hamoa aviavy? Ny loharano masira koa tsy mety hamoaka rano mamy.", "13": "Iza aminareo no hendry sy mahira-tsaina? Aoka izy ho tsara fitondran-tena, ka ho hita amin\u2019ny ataony hoe malemy fanahy izy satria manam-pahendrena.", "14": "Raha be\u00a0fialonana sy tia ady anefa ianareo ao am-ponareo, dia aza mirehareha na milaza zavatra mifanohitra amin\u2019ny fahamarinana.", "15": "Tsy mba fahendrena avy any ambony izany, fa fahendrena avy eto an-tany, sady araka ny nofo sy araka ny demonia.", "16": "Fa rehefa misy olona mialona sy tia ady, dia hisy korontana sy zava-dratsy isan-karazany koa.", "17": "Ny fahendrena avy any ambony kosa madio aloha, dia avy eo tia fihavanana, mahay mandanjalanja, vonona hankat\u00f2, be famindram-po sy manao ny tsara, tsy manavakavaka, ary tsy mihatsaravelatsihy.", "18": "Ankoatra izany, dia afafy ao anatin\u2019ny fihavanana ny voan\u2019ny fahamarinana mba hahasoa an\u2019izay mpampihavana." }, "4": { "1": "Inona no mahatonga anareo hiady sy hifamaly? Tsy ny fanirian\u2019ny nofonareo izay mitady hibaiko anareo ve?", "2": "Te hahazo zavatra ianareo, nefa tsy manana ihany. Mamono olona sy mitsiriritra foana ianareo, nefa tsy mety mahazo ihany. Mifamaly sy miady foana ianareo. Tsy manana ianareo, satria tsy mangataka.", "3": "Rehefa tena mangataka ianareo dia tsy mahazo, satria ratsy ny antony angatahanareo. Te hanome fahafaham-po ny fanirian\u2019ny nofonareo fotsiny mantsy ianareo.", "4": "Ry mpanitsakitsa-bady, angaha tsy fantatrareo fa lasa fahavalon\u2019Andriamanitra izay minamana amin\u2019izao tontolo izao? Izay te ho naman\u2019izao tontolo izao \u00e0ry, dia mitsangana ho fahavalon\u2019Andriamanitra.", "5": "Sa heverinareo ho tsy misy antony ny ilazan\u2019ny Soratra Masina hoe: \u201cTsy mety afa-po mihitsy ilay fitsiriritana ao anatintsika ao\u201d?", "6": "Lehibe kokoa anefa ny hatsaram-panahy miavaka asehon\u2019Andriamanitra. Hoy \u00e0ry ny Soratra Masina: \u201cManohitra ny olona manambony tena Andriamanitra, fa maneho hatsaram-panahy miavaka amin\u2019ny manetry tena kosa.\u201d", "7": "Koa maneke an\u2019Andriamanitra, fa tohero kosa ny Devoly, dia handositra anareo izy.", "8": "Manat\u00f2na an\u2019Andriamanitra, dia hanatona anareo izy. Diovy ny tananareo, ry\u00a0mpanota, ary diovy ny fonareo, ry\u00a0mpisalasala.", "9": "Aoka ianareo ho ory sy halahelo ary hitomany. Tokony halahelo ianareo fa tsy hihomehy, ary tokony ho kivy fa tsy ho faly.", "10": "Manetre tena eo anatrehan\u2019i Jehovah, dia hanandratra anareo izy.", "11": "Aza mifanaratsy intsony, ry\u00a0rahalahy. Izay manaratsy rahalahy na mitsara ny rahalahiny, dia manaratsy ny lal\u00e0na sady mitsara ny lal\u00e0na. Raha mitsara ny lal\u00e0na anefa ianao, dia tsy mpankat\u00f2 lal\u00e0na fa mpitsara.", "12": "Iray ihany ny Mpanao Lal\u00e0na sy Mpitsara, dia ilay afaka mamonjy sy mandringana. Fa iza moa ianao no hitsara ny namanao?", "13": "Ianareo miteny hoe: \u201cHankany ananona izahay androany na rahampitso, dia hijanona any herintaona, ary hivarotra ka hahazo tombony.\u201d", "14": "Tsy fantatrareo akory anefa izay hitranga aminareo rahampitso. Zavona miserana vetivety fotsiny ianareo, dia avy eo levona.", "15": "Izao kosa no tokony holazainareo: \u201cRaha sitrapon\u2019i Jehovah ka velona izahay, dia hanao an\u2019izao na izao.\u201d", "16": "Izao anefa ianareo mirehareha sady mieboebo. Tena ratsy ny mirehareha hoatr\u2019izany.", "17": "Raha misy mahafantatra an\u2019izay tokony hataony \u00e0ry, nefa tsy manao, dia manota izy." }, "5": { "1": "Ry mpanankarena, mitomania dia midradradradr\u00e0 noho ny fahoriana efa hanjo anareo.", "2": "Efa lo ny harenanareo, ary efa lanin\u2019ny bibikely ny akanjonareo.", "3": "Harafesenina tanteraka ny volamenanareo sy ny volafotsinareo, ary hiampanga anareo sy hihinana ny nofonareo ny harafesina aminy. Izay nangoninareo dia ho lasa hoatran\u2019ny afo amin\u2019ny andro farany.", "4": "Henoy ange\u00a0e! Mitaraina foana ny mpiasa nijinja ny sahanareo, fa tsy naloanareo ny karamany. Efa tonga any am-poto-tsofin\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika ny antso vonjy ataon\u2019ireo mpijinja ireo.", "5": "Tena miadana ianareo, ary manaram-po manao izay tianareo eto an-tany. Ny fonareo dia hoatran\u2019ny biby hatavezina mandra-pahatongan\u2019ny andro hamonoana azy.", "6": "Melohinareo sy vonoinareo ho faty ny olo-marina. Angaha izy tsy manohitra anareo?", "7": "Man\u00e0na faharetana \u00e0ry, ry\u00a0rahalahy, mandra-pahatongan\u2019ny fanatrehan\u2019ny Tompo. Jereo ange ny mpamboly\u00a0e! Maharitra miandry ny vokatra sarobidy avy amin\u2019ny tany izy, mandra-pahatongan\u2019ny orana voalohandohany sy ny orana faramparany.", "8": "Man\u00e0na faharetana koa ianareo, ary hatanjaho ny fonareo, satria efa akaiky ny fanatrehan\u2019ny Tompo.", "9": "Aza mifampimenomenona ianareo, ry\u00a0rahalahy, mba tsy homelohina. Io fa efa mijoro eo anoloan\u2019ny varavarana ny Mpitsara!", "10": "Ry\u00a0rahalahy, ataovy modely ny mpaminany niteny tamin\u2019ny anaran\u2019i Jehovah, satria niaritra fampijaliana sy nanam-paharetana izy ireo.", "11": "Ekentsika hoe sambatra izay efa niaritra. Efa henonareo fa niaritra i Joba, ary efa fantatrareo fa nitahy azy i Jehovah. Hitanareo \u00e0ry fa tena be\u00a0fitiavana i Jehovah sady mamindra fo.", "12": "Ambonin\u2019ny zava-drehetra, ry\u00a0rahalahiko, dia aza mianiana intsony, na amin\u2019ny lanitra izany, na amin\u2019ny tany, na amin\u2019ny zavatra hafa. Fa rehefa \u201cEny\u201d ny teninareo dia eny, rehefa \u201cTsia\u201d dia tsia, sao ianareo homelohina.", "13": "Misy miaritra ny mafy ve aminareo? Aoka izy hivavaka foana. Misy falifaly ve? Aoka izy hihira fiderana.", "14": "Misy marary ve aminareo? Aoka izy hiantso ny anti-panahin\u2019ny fiangonana. Dia aoka ry\u00a0zareo hivavaka ho azy sy hanosotra menaka azy amin\u2019ny anaran\u2019i Jehovah.", "15": "Fa hanasitrana an\u2019ilay marary ny vavaka atao amim-pinoana, ary hanarina azy i Jehovah. Raha nanota koa izy, dia havela ny helony.", "16": "Aoka \u00e0ry ianareo hifampiaiky heloka tsy an-kifonofono, ary mifampivavaha, mba ho sitrana ianareo. Fa misy vokany\u00a0be ny fitalahoan\u2019ny olo-marina.", "17": "Olona nanana fihetseham-po hoatran\u2019ny antsika ihany i Elia. Nivavaka mafy anefa izy mba tsy hilatsaka ny orana, dia tsy nisy orana teo amin\u2019ilay tany, nandritra ny telo taona sy tapany.", "18": "Nivavaka indray izy avy eo, dia nilatsaka ny orana, ka nahavokatra ilay tany.", "19": "Ry rahalahiko, raha misy aminareo voafitaka ka miala amin\u2019ny fahamarinana, ary misy olon-kafa mampiverina azy,", "20": "dia fantaro fa izay mampiverina mpanota hiala amin\u2019ny fahadisoany, dia hamonjy azy tsy ho faty sady hanarona fahotana be dia be." }, "meta": { "name": "Jakoba", "order": 58, "chapter_number": 5 } }