UNPKG

mg-bibles

Version:

A package for accessing Bible verses in Malagasy (MG), Diem, King James (KJV), and Louis Segond (APEE) versions

1,432 lines 265 kB
{
    "1": {
        "1": "Ny fahitan\u2019i Isaia zanak\u2019i Amoza momba an\u2019i Joda sy Jerosalema, tamin\u2019ny andron\u2019i Ozia, Jotama, Ahaza, ary Hezekia, izay samy mpanjakan\u2019ny Joda:",
        "2": "Mihainoa, ry\u00a0lanitra, ary mihainoa tsara, ry\u00a0tany! Fa izao no nolazain\u2019i Jehovah: \u201cEfa nitaiza sy nahalehibe zanaka aho, Nefa nikomy tamiko izy ireo.",
        "3": "Mahalala tsara ny tompony ny omby, Ary ny ampondra mahalala tsara ny fihinanam-bilona natokan\u2019ny tompony ho azy. Ny Israely kosa tsy mahalala ahy, Ary ny vahoakako tsy mba misaina.\u201d",
        "4": "Hahita loza ilay firenena mpanota, Ilay vahoaka efa vesaran\u2019ny fahadisoany, Taranaka ratsy fanahy sy zanaka tena ratsy\u00a0toetra! Efa nahafoy an\u2019i Jehovah izy ireo, Sady naniratsira an\u2019Ilay Masin\u2019ny Israely, Ary efa nanome lamosina azy.",
        "5": "Aiza indray no tianareo hikapohana anareo fa mbola mikomy ihany ianareo? Efa marary ny loha manontolo, Sady marary koa ny fo manontolo.",
        "6": "Tsy misy tsy marary hatrany an-tampon-doha ka hatrany am-paladia, Sady feno ratra sy mangana ary fery. Tsy nisy notsaboina anefa ireny, na nofehezina lamba, sady tsy nohosorana menaka.",
        "7": "Tsy misy mponina ny taninareo, Sady kilan\u2019ny afo ny tan\u00e0nanareo. Arapaky ny hafa firenena eo imasonareo ny taninareo, Ka lasa ngazana hoatran\u2019ny tany noravaravan\u2019ny hafa firenena.",
        "8": "Ary i Ziona zanakavavy dia nilaozana hoatran\u2019ny tranokely fialokalofana eny an-tanimboaloboka, Sy toy ny trano rantsankazo eny amin\u2019ny saha fambolena k\u00f4k\u00f4mbra, Ary hoatran\u2019ny tan\u00e0na atao fahirano.",
        "9": "Raha tsy i Jehovah Tompon\u2019ny tafika no namela sisa niangana tamintsika, Dia ho efa lasa hoatran\u2019i Sodoma isika, Ary ho efa lasa hoatran\u2019i Gomora.",
        "10": "Henoy ny tenin\u2019i Jehovah, ry\u00a0mpitondra jadona ao Sodoma! Ary henoy tsara ny lal\u00e0n\u2019ilay Andriamanitsika, ry\u00a0mponin\u2019i Gomora.",
        "11": "\u201cHataoko inona koa izay sorona be dia\u00a0be atolotrareo?\u201d, hoy i Jehovah. \u201cLeon\u2019ny ondrilahy ataonareo fanatitra dorana aho, sady tofoky ny tavin\u2019ny biby nohatavezina, Ary tsy mahafinaritra ahy ny ran\u2019ny vantotr\u2019ombilahy sy ny ran\u2019ny zanak\u2019ondry ary ny ran\u2019ny osilahy.",
        "12": "Miseho eo anatrehako ianareo, Nefa iza no niteny taminareo\u00a0hoe Tongava hanitsakitsaka ny tokotaniko?",
        "13": "Aza mitondra fanatitra varimbazaha tsy misy dikany intsony. Maharikoriko ahy ny emboka manitra ataonareo. Mankalaza tsinam-bolana sy mitandrina sabata ianareo, ary manao fivoriambe, Nefa tsy zakako ny ataonareo, satria sady mampiasa herin\u2019ny maizina ianareo no manao fivoriambe makotrokotroka.",
        "14": "Halako ny tsinam-bolana sy ny fety ankalazainareo. Lasa enta-mavesatra amiko ireny, Ka reraka aho mitondra azy.",
        "15": "Rehefa mamelatra ny tananareo ianareo, Dia tampenako tsy hijery anareo ny masoko. Na mivavaka imbetsaka aza ianareo, Dia tsy hihaino aho, Fa feno ran\u2019olona ny tananareo.",
        "16": "Misas\u00e0 ka diovy ny tenanareo. Esory tsy ho eo imasoko ny zava-dratsy ataonareo, Ary aza manao ratsy intsony.",
        "17": "Mianara manao ny tsara, manaova ny rariny, Anaro ny mpampijaly, Arovy ny zon\u2019ny kamboty ray, Dia arovy koa ny mpitondratena mba hahazo rariny.\u201d",
        "18": "\u201cAvia hifandamina isika\u201d, hoy i Jehovah. \u201cFa na mena midorehitra aza ny fahotanareo, Dia hatao fotsy mangatsakatsaka. Ary na hoatran\u2019ny ravin-damba mena antitra aza, Dia ho toy ny volonondry fotsy.",
        "19": "Raha manaiky hihaino ianareo, Dia hihinana ny vokatra tsara avy amin\u2019ny tany.",
        "20": "Fa raha tsy manaiky anefa ianareo fa mikomy, Dia haripaky ny sabatra, Satria i Jehovah no efa niteny.\u201d",
        "21": "Indrisy fa lasa mpivaro-tena ilay tan\u00e0na tsy nivadika! Ny rariny no nanjaka tao, Ary nanao ny marina daholo ny olona tao, Nefa izao mpamono olona daholo no ao.",
        "22": "Lasa tain-drendrika ny volafotsinao, Ary mitampoka rano ny labieranao.",
        "23": "Mafy loha ny andriananao, sady naman\u2019ny mpangalatra. Samy tia mandray kolikoly izy ireo, sady te hahazo fanomezana foana. Tsy omeny rariny ny kamboty ray, Ary tsy raharahiany mihitsy ny fitorian\u2019ny mpitondratena.",
        "24": "Izao \u00e0ry no tenin\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, ilay tena Tompo, Dia ilay Maherin\u2019ny Israely: \u201cHaripako ny fahavaloko, Ka hovaliako araka izay nataony izy.",
        "25": "Dia hosaziko ianao, Ary hesoriko tanteraka ny tain-drendrika eo aminao. Hesoriko daholo koa ny loto eo aminao.",
        "26": "Haveriko ho toy ny tamin\u2019ny voalohany ny mpitsara ao aminao, Ary haveriko ho hoatran\u2019ny taloha ny mpanolo-tsaina anao. Dia hantsoina hoe Tan\u00e0nan\u2019ny Fahamarinana sy Tan\u00e0na Tsy Mivadika Amin\u2019Andriamanitra ianao.",
        "27": "Ny rariny no hanavotana an\u2019i Ziona, Ary ny fahamarinana no hanavotana ny mponina tao, izay miverina.",
        "28": "Hotorotoroina miaraka ny mpikomy sy ny mpanota, Ary ho ringana izay mahafoy an\u2019i Jehovah.",
        "29": "Hahamenatra anareo ny hazo ngezabe nirinareo, Ary ho afa-baraka ianareo noho ny zaridaina nofidinareo.",
        "30": "Fa ho toy ny hazobe feno ravina malazo ianareo, Ary ho lasa hoatran\u2019ny zaridaina tsy misy rano.",
        "31": "Dia ho toy ny mololo ny lehilahy matanjaka, Ary ho lasa hoatran\u2019ny pitik\u2019afo ny zavatra ataony. Samy ho may daholo izy roa ireo, Ary tsy hisy hahavita hamono an\u2019ilay afo.\u201d"
    },
    "2": {
        "1": "Izao no hitan\u2019i Isaia zanak\u2019i Amoza momba an\u2019i Joda sy Jerosalema:",
        "2": "Any am-parany any, Ilay tendrombohitra misy ny tranon\u2019i Jehovah Dia ho mafy orina sady ho avo noho ny tampon\u2019ireo tendrombohitra, Ka hasandratra ho avo noho ireo havoana. Ary hiaraka ho any ny firenena rehetra.",
        "3": "Be dia be ny olona ho any, ka hiteny hoe: \u201cAvia! Andao isika hiakatra ho any an-tendrombohitr\u2019i Jehovah, Ho any an-tranon\u2019Andriamanitr\u2019i Jakoba. Hampianatra antsika ny lalany izy, Dia handeha amin\u2019ny lalana atorony isika.\u201d Fa avy ao Ziona no hivoahan\u2019ny lal\u00e0na, Ary avy ao Jerosalema ny tenin\u2019i Jehovah.",
        "4": "Hamoaka didim-pitsarana eo amin\u2019ireo firenena izy, Ka hanitsy an\u2019izay tsy mety eo amin\u2019izy ireo. Dia hanefy ny sabany ho angadinomby izy ireo, Ary ny lefony ho antsy fandrantsanam-boaloboka. Tsy hifamely amin\u2019ny sabatra intsony ireo firenena, Sady tsy hianatra ady intsony.",
        "5": "Ry taranak\u2019i Jakoba\u00a0\u00f4, Andao isika hanaraka ny hazavana avy amin\u2019i Jehovah!",
        "6": "Fa nafoinao ny vahoakanao, dia ny taranak\u2019i Jakoba, Satria lasa feno zavatra avy any Atsinanana ny taniny. Mampiasa herin\u2019ny maizina hoatran\u2019ny ataon\u2019ny Filistinina koa izy ireo, Ary feno zanaky ny hafa firenena eo aminy.",
        "7": "Feno volafotsy sy volamena ny taniny, Ary tsy mety lany ny harenany. Feno soavaly koa ny taniny, Sady tsy voaisa ny kalesiny.",
        "8": "Feno andriamanitra tsy misy dikany ny taniny. Miankohoka amin\u2019ny zavatra nataon\u2019ny tanany ihany izy ireo, Dia amin\u2019ny zavatra nataon\u2019ny rantsantanany ihany.",
        "9": "Manambany ny tenany \u00e0ry ny olona ka afa-baraka, Dia tsy ho afaka hamela ny helony ianao.",
        "10": "Midira ao anaty vatolampy ary miafena ao amin\u2019ny vovoka, Fa mampahatahotra ny fahatezeran\u2019i Jehovah, Ary mamirapiratra ny fahalehibeazany.",
        "11": "Haetry ny mason\u2019ny olona mianjonanjona, Ary ho lasa ambany ny olona manambony tena. Fa i Jehovah irery ihany no hasandratra amin\u2019izany andro izany.",
        "12": "Andron\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika mantsy izany, Ka ho tonga amin\u2019izay mirehareha sy manambony tena, Amin\u2019ny olona rehetra, na ambony izy na ambany,",
        "13": "Amin\u2019ny sedera avo\u00a0be mijoalajoala rehetra any Lib\u00e0na, Amin\u2019ny hazo oaka rehetra any Basana,",
        "14": "Amin\u2019ny tendrombohitra avo rehetra, Amin\u2019ny havoana rehetra,",
        "15": "Amin\u2019ny tilikambo avo rehetra sy ny manda voaro mafy rehetra,",
        "16": "Amin\u2019ny sambon\u2019i Tarsisy rehetra Ary amin\u2019ny sambo mirenty rehetra.",
        "17": "Dia haetry ny olona mianjonanjona, Ary ho lasa ambany ny olona manambony tena. Fa i Jehovah irery ihany no hasandratra amin\u2019izany andro izany.",
        "18": "Hanjavona tanteraka ireo andriamanitra tsy misy dikany.",
        "19": "Dia hiditra any anaty lava-bato Sy ao anaty lavaka any ambanin\u2019ny tany ny olona. Fa mampahatahotra ny fahatezeran\u2019i Jehovah, Ary mamirapiratra ny fahalehibeazany, Rehefa mitsangana mba hampangovitra sy hampitahotra ny tany izy.",
        "20": "Amin\u2019izany andro izany, dia halain\u2019ny olona ny andriamaniny volafotsy sy volamena tsy misy dikany, Izay nataony hiankohofana, Ka hariany any amin\u2019ny voalavo matsoko\u00a0vava sy ny ramanavy.",
        "21": "Dia hiditra any anaty lava-bato Sy any an-tsefatsefaky ny harambato izy ireo. Fa mampahatahotra ny fahatezeran\u2019i Jehovah, Ary mamirapiratra ny fahalehibeazany, Rehefa mitsangana mba hampangovitra sy hampitahotra ny tany izy.",
        "22": "Raha tsy te hahita loza \u00e0ry ianareo, dia aza matoky olombelona intsony. Fa fofonaina ihany no eo am-bavorony, Ka misy dikany inona moa izy?"
    },
    "3": {
        "1": "I Jehovah Tompon\u2019ny Tafika no tena Tompo. Esoriny ao Jerosalema sy Joda ny andry iankinana sy ny vatsy rehetra, Dia ny sakafo sy ny rano rehetra,",
        "2": "Ny lehilahy matanjaka sy ny miaramila, Ny mpitsara sy ny mpaminany, ny mpisikidy sy ny anti-panahy,",
        "3": "Ny lehiben\u2019ny 50, ny olo-manan-kaja, ny mpanolo-tsaina, Ny mpimasy tena mahay, ary ny olona mahay mibaiko bibilava.",
        "4": "Ankizilahy no hataoko ho andrianan\u2019izy ireo, Ary olona miovaova hevitra no ho mpitondra azy.",
        "5": "Dia hampijaly ny namany avy ny olona. Samy hanao hoatr\u2019izany amin\u2019ny namany avy izy rehetra. Ny ankizilahy hihetraketraka amin\u2019ny lehilahy efa zokiolona, Ary ny olona tsisy fotony ho sahy haniratsira ny olona manan-kaja.",
        "6": "Samy hitazona ny sandrin\u2019ny rahalahiny ao an-tranon-drainy ny olona, ka hiteny hoe: \u201cManana akanjo ivelany ianao. Mb\u00e0 maneke re ho mpitondra anay\u00a0e! Dia raiso ho andraikitrao ity toerana rava ity.\u201d",
        "7": "Tsy hanaiky anefa izy amin\u2019izany andro izany, ka hiteny hoe: \u201cTsy hitsabo ny ferinareo aho, Ary tsy misy sakafo na akanjo ao an-tranoko. Dia aza atao mpitondra vahoaka aho.\u201d",
        "8": "Fa lavo i Jerosalema, Ary nianjera i Joda, Satria manohitra an\u2019i Jehovah amin\u2019ny teniny sy ny ataony izy ireo, Sady mikomy eo imason\u2019Ilay Be\u00a0Voninahitra.",
        "9": "Na ny endrik\u2019izy ireo aza dia efa miampanga ny tenany. Resahiny daholo ny fahotany, hoatran\u2019ny nataon\u2019ny mponin\u2019i Sodoma, Fa tsy afeniny. Hahita loza izy ireo, fa izy ihany no mampiditra loza ho an\u2019ny tenany!",
        "10": "Lazao ny olo-marina hoe hahita soa izy ireo, Ary homena valisoa noho izay ataony.",
        "11": "Hahita loza ny ratsy fanahy! Hahita loza izy, Fa izay nataony ihany no havaly aminy!",
        "12": "Mampijaly ny vahoakako ny mpanery azy hiasa, Ary vehivavy no mpitondra azy. Mampirenireny anareo ny mpitarika anareo, ry\u00a0vahoakako, Dia ataony tsy hitanareo hoe aiza ny lalana haleha.",
        "13": "Maka toerana i Jehovah mba hiampanga olona, Ary mitsangana mba hamoaka didim-pitsarana hampiharina amin\u2019ireo firenena.",
        "14": "Hanameloka ny anti-panahy sy ny andrianan\u2019ny vahoakany i Jehovah. \u201cNodoranareo ny tanimboaloboka, Ary ao an-tranonareo ny zavatra nangalarinareo tamin\u2019ny mahantra.",
        "15": "Dia sahinareo ve ny mamotika ny vahoakako, Sy mampihosina ny tarehiny ao anaty vovoka?\u201d, hoy i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, ilay Tompo Fara Tampony.",
        "16": "Hoy koa i Jehovah: \u201cMianjonanjona ireo zanakavavin\u2019i Ziona, Ary milanjalanja loha rehefa mandeha. Manao maso mambabo izy ireo sady jejojejo er\u1ef3 rehefa mamindra, Ka mampikorintsana ny rojo eny an-tongony.",
        "17": "Hataon\u2019i Jehovah feno takopery \u00e0ry ny tampon-dohan\u2019ny zanakavavin\u2019i Ziona, Ary hataon\u2019i Jehovah miharihary ny tampon-kandriny.",
        "18": "Amin\u2019izany andro izany, dia hesorin\u2019i Jehovah ny firavak\u2019izy ireo: Ny rojokely haingon-tongotra, ny fehiloha, ny ravaka hoatran\u2019ny volan-tsinana,",
        "19": "Ny kavina, ny brasele, ny voaly,",
        "20": "Ny saron-doha, ny rojon-tongotra, ny fehikibo, Ny fitoeran-dranomanitra, ny ody fiaro,",
        "21": "Ny peratra, ny kavin\u2019orona,",
        "22": "Ny akanjo mihaja\u00a0be, ny akanjo lava, ny akanjo ivelany, ny kitapom-bola,",
        "23": "Ny fitaratra, ny akanjo rongony, Ny satroka lamba, ary ny voaly.",
        "24": "Fofona masiso no ho solon\u2019ny hanitry ny menaka balsama, Tady no ho solon\u2019ny fehikibo, Loha sola no ho solon\u2019ny volo namboarina tsara, Lamba gony no ho solon\u2019ny akanjo lafo vidy, Ary tomboka amin\u2019ny vy mahamay no ho solon\u2019ny hatsaran-tarehy.",
        "25": "Ho fatin\u2019ny sabatra ny lehilahy ao aminao, Ary ho faty any an\u2019ady ny lehilahy matanjaka.",
        "26": "Hisaona sy halahelo\u00a0be ny vavahadin\u2019ny tan\u00e0na. Ho lasa tsy misy mponina ilay tan\u00e0na, ka hipetraka amin\u2019ny tany i Ziona.\u201d"
    },
    "4": {
        "1": "Amin\u2019izany andro izany, dia hisy vehivavy fito hitazona lehilahy iray, ka hiteny hoe: \u201cNy sakafonay ihany no hohaninay, Ary ny akanjonay ihany no hanaovanay, Fa mba avelao fotsiny izahay hantsoina amin\u2019ny anaranao, Mba tsy ho afa-baraka intsony.\u201d",
        "2": "Amin\u2019izany andro izany, dia hampitsimoka zavamaniry tsara tarehy sy mahafinaritra i Jehovah. Hirehareha sy ho falifaly izay sisa velona amin\u2019ny Israely noho ny vokatry ny tany.",
        "3": "Ary hantsoina hoe masina izay sisa tavela ao Ziona sy izay sisa tafajanona ao Jerosalema, izany hoe izay rehetra ao Jerosalema ka voasoratra anarana hoe mbola velona.",
        "4": "Ho tezitra be amin\u2019i Jerosalema i Jehovah ka hotsarainy ny zanakavavin\u2019i Ziona. Izany no fomba hanasany azy ho afaka amin\u2019ny lotony sy hanadiovany azy ho afaka amin\u2019ny ra nalatsaka tao.",
        "5": "Ankoatra izany, dia hasian\u2019i Jehovah rahona sy setroka eo ambonin\u2019ny Tendrombohitra Ziona manontolo sy eo ambonin\u2019ny toerana fanaovany fivoriambe, mandritra ny andro, fa hasiany afo mirehitra mazava\u00a0be kosa mandritra ny alina. Hisy fialofana mantsy hanarona an\u2019ilay toerana be\u00a0voninahitra manontolo.",
        "6": "Ary hisy trano rantsankazo hanalokaloka amin\u2019ny hafanana migaingaina mandritra ny andro, sady ho fialofana sy fiarovana amin\u2019ny oram-baratra sy ny ranonorana."
    },
    "5": {
        "1": "Aleo aho mba hanao hira ho an\u2019ny malalako, Dia hira momba an\u2019ilay malalako sy ny tanimboalobony. Nanana tanimboaloboka teo amin\u2019ny havoana iray mahavokatra ny malalako.",
        "2": "Nasainy ny tany, nesoriny ny vato, Dia namboly voaloboka mena karazany tsara izy. Nanorina tilikambo teo afovoany koa izy, Ary nanao lavaka famiazam-boaloboka. Nanantena foana izy fa hamoa voaloboka tsara ilay tany, Saingy tsy namoa afa-tsy voalobokadia.",
        "3": "\u201cRy mponin\u2019i Jerosalema sy mponin\u2019i Joda\u00a0\u00f4! Mba tsarao izaho sy ny tanimboaloboko.",
        "4": "Inona koa no mbola tokony ho nataoko tamin\u2019ny tanimboaloboko, Ka tsy efa nataoko? Mba nanantena voaloboka tsara aho, Nefa nahoana ilay izy no tsy namoa afa-tsy voalobokadia?",
        "5": "Mba avelao aho hampahafantatra anareo\u00a0hoe Inona no hataoko amin\u2019ny tanimboaloboko: Hesoriko ny fefiny, Dia hodorana ilay tanimboaloboka. Harodako ny tamboho vatony, Ary hohitsakitsahina ilay izy.",
        "6": "Hataoko lasa tany ngazana izy, Ka tsy hisy handrantsana na hiava azy. Dia tsilo sy ahidratsy no handrakotra azy, Ary tsy havelako handatsaka orana eo aminy ny rahona.",
        "7": "Fa ny taranak\u2019Israely no tanimboalobok\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, Ary ny mponin\u2019i Joda no tanimboly tena tiany. Nanantena foana izy hoe hanjaka ny rariny, Saingy indrisy fa tsy nisy nanao ny rariny. Nanantena koa izy hoe hisy hanao ny marina, Saingy feon\u2019olona mijaly sy mitaraina no henony!\u201d",
        "8": "Hahita loza izay mampitombo ny isan\u2019ny tranony, Sy mampitombo ny isan\u2019ny sahany, Mandra-paha tsy misy toerana malalaka intsony, Fa ianareo ihany sisa no mipetraka ao amin\u2019ilay tany!",
        "9": "Henoko nianiana i Jehovah Tompon\u2019ny tafika\u00a0hoe Hisy trano be dia be ho rava sady tsy hisy mponina, Na dia lehibe sy tsara tarehy aza, Ka hihorohoro ny olona hahita an\u2019izany.",
        "10": "Iray bata fotsiny no mba vokatra ho azo avy amin\u2019ny tanimboaloboka efatra\u00a0hektara, Ary eran\u2019ny efaha fotsiny no vokatra ho azo avy amin\u2019ny voa afafy iray homera.",
        "11": "Hahita loza izay mifoha maraina mba hisotro toaka, Ka tsy miala eo mihitsy mandra-pahamaizin\u2019ny andro ka efa mamon\u2019ny divay!",
        "12": "Manana harpa sy zavamaneno fitendry, Sy ampongatapaka sy sodina ary divay izy ireo ao amin\u2019ny fanasany, Kanefa tsy raharahiany ny zavatra ataon\u2019i Jehovah, Ary tsy hitany ny asan\u2019ny tanany.",
        "13": "Hatao sesitany \u00e0ry ny vahoakako, Satria tsy mahalala ahy. Ho noana ny olona be\u00a0voninahitra eo aminy, Ary hangetaheta be ny sarambabem-bahoaka.",
        "14": "Dia nitarin\u2019ny Fasana ny toerany, Ary nosokafany be tsy misy hoatr\u2019izany ny vavany. Dia hivarina any izay olona ambony ao an-tan\u00e0na, Sy ny vahoakany be\u00a0tabataba ary izay miliba manao fety.",
        "15": "Ho lasa ambany ny olona, Ka haetry. Haetry koa ny mason\u2019ny olona mianjonanjona.",
        "16": "Hasandratra kosa i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, noho izy mampihatra didim-pitsarana. Hanamasina ny tenany ilay tena Andriamanitra, dia Ilay Masina, noho izy manao ny rariny.",
        "17": "Dia hiraoka ahitra ny zanak\u2019ondry, hoatran\u2019ny hoe eny amin\u2019ny kijana falehany, Ary ny hafa firenena indray hihinana eny amin\u2019ny toerana aolo nalehan\u2019ny biby nohatavezina taloha.",
        "18": "Hahita loza izay mitaritarika ny fahadisoany amin\u2019ny tady famitahana, Sy mitaritarika ny fahotany amin\u2019ny tady fitarihana sarety.",
        "19": "Miteny izy ireo hoe: \u201cAleo hataony haingana ny asany. Aleo ho tonga haingana izany, mba ho hitanay. Aleo ho tanteraka ny fikasan\u2019Ilay Masin\u2019ny Israely, Mba ho fantatray!\u201d",
        "20": "Hahita loza izay milaza ny tsara hoe ratsy sy milaza ny ratsy hoe tsara, Dia izay manolo ny maizina amin\u2019ny mazava sy manolo ny mazava amin\u2019ny maizina, Ary manolo ny mangidy amin\u2019ny mamy sy manolo ny mamy amin\u2019ny mangidy!",
        "21": "Hahita loza izay mihevi-tena ho hendry Sy mihevi-tena ho malina!",
        "22": "Hahita loza izay mahery misotro divay, Sy izay tena mahay mampifangaro toaka,",
        "23": "Dia izay manafaka ny ratsy fanahy mba hahazoana kolikoly, Sady tsy manome rariny ho an\u2019ny olo-marina.",
        "24": "Toy ny vodivary levon\u2019ny lelafo, Sy toy ny ahitra maina mikarainkona rehefa main\u2019ny afo, Dia ho lo koa ny fakan\u2019izy ireo, Sady hiparitaka hoatran\u2019ny vovoka ny felany. Tsy niraharaha ny lal\u00e0n\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika mantsy izy ireo, Sady tsy nanaja ny tenin\u2019Ilay Masin\u2019ny Israely.",
        "25": "Dia tezitra be amin\u2019ny vahoakany i Jehovah, Ka hanatsotra ny tanany mba hamely azy. Hihovotrovotra ny tendrombohitra, Ary ho lasa hoatran\u2019ny fako eny an-dalana ny fatin\u2019izy ireo. Noho izany rehetra izany, dia mbola tezitra foana Izy, Ka mbola manatsotra ny tanany mba hamely.",
        "26": "Nanangana tsato-kazo famantarana ho an\u2019ny firenena iray any lavitra izy, Ka nisioka mba ho tonga ireo avy any amin\u2019ny faran\u2019ny tany, Dia tonga haingana izy ireo.",
        "27": "Tsy misy reraka na tafintohina izy ireo, Sady tsy misy rendremana na matory. Tsy mivaha koa ny fehikibo eo amin\u2019ny andilany, Sady tsy tapaka ny tadin-kapany.",
        "28": "Fa maranitra ny zana-tsip\u00eckany, Sady efa ataony vonona hitifirana ny tsip\u00eckany rehetra. Mafy hoatran\u2019ny vato ny kitron-tsoavaliny, Ary mitsoriaka hoatran\u2019ny rivo-mahery ny kodiaran\u2019ny kalesiny.",
        "29": "Toy ny fieron\u2019ny liona ny fierony, Mierona hoatran\u2019ny liona tanora izy ireo. Hierona izy dia hisambotra remby, Ary hoentiny ilay izy ka tsy hisy hamonjy.",
        "30": "Amin\u2019izany andro izany, dia hierona izy rehefa mahazo remby, Toy ny ranomasina midoboka\u00a0be. Hahita haizina mampahatahotra izay mijery an\u2019ilay tany, Ka na ny andro aza lasa maizina, satria feno rahona."
    },
    "6": {
        "1": "Tamin\u2019ny taona nahafatesan\u2019i Ozia Mpanjaka, dia hitako i Jehovah nipetraka teo amin\u2019ny seza fiandrianana avo sy manerinerina, ary nameno ny tempoly ny akanjony lava mirebareba.",
        "2": "Nisy serafima nijoro teo amboniny. Samy nanana elatra enina\u00a0avy izy ireo, ka ny roa nanaronany ny tarehiny, ny roa nanaronany ny tongony, ary ny roa nanidinany.",
        "3": "Ary niteny mafy tamin\u2019ny iray ny anankiray hoe: \u201cMasina, masina, masina i Jehovah Tompon\u2019ny tafika! Feno ny voninahiny ny tany manontolo.\u201d",
        "4": "Dia nihovotrovotra ny tol\u00e0na teo amin\u2019ny tokonam-baravarana, noho ny feon\u2019ilay niantsoantso, ary feno setroka ilay trano.",
        "5": "Dia hoy aho: \u201cHahita loza aho! Tena ho faty aho izao, Satria olona maloto molotra, Sady miara-mipetraka amin\u2019ny vahoaka maloto molotra, Nefa izaho nahita an\u2019ilay Mpanjaka, dia i Jehovah Tompon\u2019ny tafika.\u201d",
        "6": "Dia nanidina nankeo amiko ny iray tamin\u2019ireo serafima. Nisy vainafo nalainy tamin\u2019ny tandra\u00a0vy avy teo amin\u2019ny alitara teny an-tanany.",
        "7": "Nokasihiny tamin\u2019ilay izy ny vavako, dia hoy izy: \u201cEfa nikasika ny molotrao ity, Ka tsy manan-keloka intsony ianao, Dia voavela ny fahotanao.\u201d",
        "8": "Ary henoko ny feon\u2019i Jehovah niteny hoe: \u201cIza no hirahiko? Iza no hisolo tena anay?\u201d Dia hoy aho: \u201cInt\u1ef3 aho iraho!\u201d",
        "9": "Ary hoy izy: \u201cMandehana teneno ity vahoaka ity hoe: \u2018Haheno foana ianareo, Nefa tsy hahazo ny dikan\u2019izay henonareo. Ary hijery foana ianareo, Saingy tsy hahalala na inona na inona mihitsy.\u2019",
        "10": "Ataovy donto ny fon\u2019ity vahoaka ity, Ataovy tsy maheno tsara ny sofiny, Dia ataovy miraikitra ny masony, Amin\u2019izay ny masony tsy hahita, Ary ny sofiny tsy haheno. Amin\u2019izay koa ny fony tsy hahazo ny dikan\u2019ny zavatra henony, Dia tsy hiverina amiko izy ka tsy ho sitrana.\u201d",
        "11": "Ary hoy aho: \u201cMandra-pahoviana, Jehovah\u00a0\u00f4?\u201d Dia hoy izy: \u201cMandra-paharavan\u2019ny tan\u00e0na, ka tsy hisy mponina intsony\u00a0ao, Sady tsy hisy olona intsony ao amin\u2019ireo trano, Ary ho simba sy tsy hisy mponina ilay tany,",
        "12": "Mandra-pahatongan\u2019ny fotoana hanalan\u2019i Jehovah ny olona ao sy handefasany azy any lavitra\u00a0be, Ka hahalasa aolo an\u2019ilay tany manontolo.",
        "13": "\u201cMbola hisy ampahafolony ihany anefa ho tavela ao, dia hodorana indray izany, hoatran\u2019ny hazobe sy hazo oaka, izay mbola eo ihany ny fotony rehefa kapaina. Ary ho taranaka masina ilay fotony.\u201d"
    },
    "7": {
        "1": "Ary tamin\u2019ny andron\u2019i Ahaza zanak\u2019i Jotama, zanak\u2019i Ozia, mpanjakan\u2019ny Joda, dia niakatra hiady tamin\u2019i Jerosalema i Rezina mpanjakan\u2019i Syria sy Peka zanak\u2019i Remalia, mpanjakan\u2019ny Israely. Tsy naharesy azy anefa izy ireo.",
        "2": "Ary nisy niteny tamin\u2019ny taranak\u2019i Davida hoe: \u201cNanampy ny tafik\u2019i Efraima ny tafik\u2019i Syria.\u201d Dia nitebiteby ny fon\u2019i Ahaza sy ny fon\u2019ny vahoakany, hoatran\u2019ny hazo any an\u2019ala tsofin\u2019ny rivotra.",
        "3": "Ary hoy i Jehovah tamin\u2019i Isaia: \u201cMba mandehana mitsena an\u2019i Ahaza ianao sy Seara-jasoba zanakao lahy, eo amin\u2019ny faran\u2019ny lakandrano avy\u00a0ao amin\u2019ny dobo ambony, eo amin\u2019ilay lalambe mankany amin\u2019ny sahan\u2019ny mpanasa lamba.",
        "4": "Dia lazao aminy hoe: \u2018Aza taitra fa miezaha ho tony. Ary aza matahotra na kivy, noho ny amin\u2019ireo kitay anankiroa sisan\u2019afo mbola midonaka ireo, dia i Rezina mpanjakan\u2019i Syria sy ny zanak\u2019i Remalia izay samy tezitra mafy.",
        "5": "Fa efa niray tetika hanisy ratsy anao i Syria sy Efraima ary ny zanak\u2019i Remalia, ka niteny hoe:",
        "6": "\u201cAndao hiakatra hamely an\u2019i Joda, ka handrava sy handresy azy, dia ho azontsika izy. Dia andao hotendrena ho mpanjaka any ny zanak\u2019i Tabela.\u201d",
        "7": "\u201c\u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u201cTsy ho tanteraka izany, Sady tsy hitranga.",
        "8": "Fa i Damaskosy no lohan\u2019i Syria, Ary i Rezina no lohan\u2019i Damaskosy. Rehefa afaka 65\u00a0taona fotsiny, Dia ho rava tanteraka i\u00a0Efraima ka tsy ho firenena intsony.",
        "9": "I Samaria no lohan\u2019i Efraima, Ary ny zanak\u2019i Remalia no lohan\u2019i Samaria. Raha tsy matanjaka ny finoanareo, Dia tsy ho mafy orina ny fanjakanareo.\u201d\u2019\u201d",
        "10": "Hoy koa i Jehovah tamin\u2019i Ahaza:",
        "11": "\u201cMangataha famantarana avy amin\u2019i Jehovah Andriamanitrao. Azo atao lalina hoatran\u2019ny Fasana izany, na avo hoatran\u2019ny lanitra.\u201d",
        "12": "Hoy anefa i Ahaza: \u201cTsy hangataka aho, sady tsy hitsapa toetra an\u2019i Jehovah.\u201d",
        "13": "Dia hoy i Isaia: \u201cMba henoy kely izao, ry\u00a0taranak\u2019i Davida\u00a0\u00f4! Efa sady manorisory olona ve ianareo no mbola manorisory an\u2019Andriamanitra koa?",
        "14": "Hanome famantarana ho anareo \u00e0ry i Jehovah: Hisy tovovavy ho bevohoka ka hiteraka zazalahy, ary hataony hoe Imanoela ny anarany.",
        "15": "Ho efa mpihinana dibera sy tantely ilay zazalahy, rehefa mahay mand\u00e0 ny ratsy sy mifidy ny tsara.",
        "16": "Fa mbola tsy mahay mand\u00e0 ny ratsy sy mifidy ny tsara akory izy, dia efa hilaozana tanteraka ny tanin\u2019ireo mpanjaka roa atahoranao ireo.",
        "17": "Ary hataon\u2019i Jehovah mahita fotoan-tsarotra ianao sy ny vahoakanao ary ny ankohonan-drainao, dia fotoan-tsarotra mbola tsy nisy hoatr\u2019izany, hatramin\u2019ny fotoana nisarahan\u2019i Efraima tamin\u2019i Joda ka hatramin\u2019izao. Hoentiny eto mantsy ny mpanjakan\u2019i Asyria.",
        "18": "\u201cAmin\u2019izany andro izany, dia hisioka i Jehovah ka hiantso an\u2019ireo lalitra any lavitra any amin\u2019ny lakandranon\u2019i Neily any Ejipta, ary hisioka an\u2019ireo tantely any Asyria.",
        "19": "Dia ho tonga daholo ireny, ka samy hipetraka eny amin\u2019ny lohasaha lalina, sy any an-tsefatsefaky ny harambato, sy eny amin\u2019ny kirihitra be\u00a0tsilotsilo rehetra, ary eny amin\u2019ny toerana rehetra falehan\u2019ny biby rehefa hisotro rano.",
        "20": "\u201cAmin\u2019izany andro izany, dia hareza nohofana avy any amin\u2019ny faritry ny Renirano, izany hoe ny mpanjakan\u2019i Asyria, no hampiasain\u2019i Jehovah hikakasana ny loha sy ny volon-tongotra, ary hanesorana tanteraka ny volombava.",
        "21": "\u201cAmin\u2019izany andro izany, dia tsy hovonoin\u2019ny olona ny vantotr\u2019ombivavy iray sy ondry roa.",
        "22": "Ho be dia\u00a0be ny ronono, ka hihinana dibera ny olona. Hihinana dibera sy tantely mantsy izay sisa tavela ao amin\u2019ilay tany.",
        "23": "\u201cAmin\u2019izany andro izany, dia tsilo sy ahidratsy fotsiny no haniry eny amin\u2019izay nisy foto-boaloboka 1\u00a0000 nitentina volafotsy 1\u00a0000 sekely.",
        "24": "Hitondra zana-tsip\u00ecka sy tsip\u00ecka izay olona ho any, satria ho rakotra tsilo sy ahidratsy ilay tany manontolo.",
        "25": "Ary tsy hanakaiky an\u2019ireo tendrombohitra rehetra efa voava tamin\u2019ny angady ianao, satria matahotra tsilo sy ahidratsy. Dia ho lasa kijana falehan\u2019ny omby ireny, sady ho lasa toerana hohitsakitsahin\u2019ny ondry.\u201d"
    },
    "8": {
        "1": "Ary hoy i Jehovah tamiko: \u201cMak\u00e0 takela-kazo lehibe dia izao soratana amin\u2019ny penina tsotra: \u2018Mahera-salala-hasi-baza.\u2019",
        "2": "Aleo hisy vavolombelona mendri-pitokisana hanamafy an\u2019izany an-tsoratra ho ahy, dia i Oria mpisorona sy Zakaria zanak\u2019i Jeberekia.\u201d",
        "3": "Ary nanao firaisana tamin\u2019ilay mpaminanivavy aho. Dia bevohoka izy ka nitera-dahy. Ary hoy i Jehovah tamiko: \u201cAtaovy hoe Mahera-salala-hasi-baza ny anarany,",
        "4": "fa raha mbola tsy mahay miantso hoe \u2018Dada\u2019 sy \u2018Neny\u2019 ilay zaza, dia hoentin\u2019ny olona ho any amin\u2019ny mpanjakan\u2019i Asyria ny fananan\u2019i Damaskosy sy ny zavatra nobaboina tany Samaria.\u201d",
        "5": "Niteny tamiko indray i Jehovah hoe:",
        "6": "\u201cSatria ity vahoaka ity nanda ny ranon\u2019i Siloa, izay mikoriana moramora, Sady faly noho ny amin\u2019i Rezina sy ny zanak\u2019i Remalia,",
        "7": "Dia hampiakarin\u2019i Jehovah hamely\u00a0azy Ny mpanjakan\u2019i Asyria sy ny voninahiny rehetra. Hoatran\u2019ny rano\u00a0be mikoriana mafy avy any amin\u2019ny Renirano izy, Ary ho tondraka\u00a0be, Ka hihoatra ny morony rehetra ny rano,",
        "8": "Dia hibosesika eran\u2019i Joda. Hiakatra be izy ary hiparitaka, ka hisondrotra hatreny amin\u2019ny vozona. Handrakotra ny sakan\u2019ny taninao ny elany rehefa mivelatra, Ry Imanoela\u00a0\u00f4!\u201d",
        "9": "Mameleza, ry firenena, nefa ho torotoro ihany ianareo. Mihainoa ianareo rehetra avy any lavitra any! Miom\u00e0na hiady, nefa ho torotoro ihany ianareo! Miom\u00e0na hiady, nefa ho torotoro ihany ianareo!",
        "10": "Manaova tetika, nefa tsy hahomby izany! Lazao izay tianareo hotenenina, nefa tsy ho tanteraka izany, Satria manampy antsika Andriamanitra!",
        "11": "Nanohana ahy ny tanana matanjak\u2019i Jehovah, ka izao no nolazainy tamiko mba hisakanana ahy tsy hanaraka ny fanaon\u2019ity vahoaka ity:",
        "12": "\u201cAza ataonareo hoe fikomiana ny zavatra lazain\u2019ity vahoaka ity hoe fikomiana. Aza matahotra an\u2019izay atahorany, Ary aza mihorohoro amin\u2019izany.",
        "13": "I Jehovah Tompon\u2019ny tafika no tokony ho masina aminareo. Izy no tokony hatahoranareo, Ary Izy no tokony hampangovitra anareo.\u201d",
        "14": "Dia ho lasa toy ny toerana masina Izy, Nefa koa ho vato hamelezana, Sady ho vatolampy mahatafintohina Ho an\u2019ny fanjakana roan\u2019ny Israely, Ary ho fandrika sy vela-pandrika Ho an\u2019ny mponin\u2019i Jerosalema.",
        "15": "Maro amin\u2019izy ireo no ho tafintohina sy ho lavo ary ho torotoro. Ho voafandrika sy ho voasambotra izy ireo.",
        "16": "Ahor\u00f2ny ny taratasy fanamafisana, Ary asio tombo-kase any amin\u2019ny mpianatro ny lal\u00e0na!",
        "17": "Izaho hanantena foana an\u2019i Jehovah, izay manafina ny tarehiny amin\u2019ny taranak\u2019i Jakoba. Dia hanantena Azy aho.",
        "18": "Ireto izaho sy ireo zaza nomen\u2019i Jehovah ahy! Famantarana sy fahagagana eo amin\u2019ny Israely izahay, famantarana sy fahagagana avy amin\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika izay mipetraka eo amin\u2019ny Tendrombohitra Ziona.",
        "19": "Mety hisy hiteny anareo hoe: \u201cManontania mpamoha angatra na olona itoeran\u2019ny fanahy mpilaza ny hoavy, izay samy manao feom-boronkely sy mibitsibitsika.\u201d Tsy ny Andriamaniny anefa ve no tokony hanontaniany? Ny maty indray ve no hanontaniana mba hahasoa ny velona?",
        "20": "Ny lal\u00e0na sy ny taratasy fanamafisana kosa no tokony hojereny. Tsy hahita ny hazavana izy ireo, rehefa tsy mifanaraka amin\u2019ity teny ity ny zavatra lazainy.",
        "21": "Ary samy hivezivezy ao amin\u2019ilay tany ny olona efa mijaly sady noana. Hanozona ny mpanjakany sy ny Andriamaniny izy rehefa mijery ambony, satria noana sady tezitra.",
        "22": "Hiondrika hijery ny tany indray izy, dia tsy hahita afa-tsy fahoriana, haizina, haizim-pito, fotoan-tsarotra, ary andro manjombona tsy misy mangirana."
    },
    "9": {
        "1": "Ny haizina ao amin\u2019ilay tany anefa, dia tsy ho toy ny tamin\u2019ny fotoam-pahoriana taloha, tamin\u2019ny fotoana nanaovana tsinontsinona ny tanin\u2019i Zebolona sy ny tanin\u2019i Naftaly. Any aoriana kosa dia hataony mahazo voninahitra ilay tany, ilay lalana akaikin\u2019ny ranomasina any amin\u2019ny faritr\u2019i Jordana, any Galilia fonenan\u2019ny hafa firenena.",
        "2": "Nahita hazavana\u00a0be Ny olona nandeha tao amin\u2019ny haizina, Ary namirapiratan\u2019ny hazavana Ireo nipetraka tao amin\u2019ny tanin\u2019ny haizim-pito.",
        "3": "Nataonao be\u00a0mponina ilay firenena, Ary nataonao faly\u00a0be izy. Mifaly eo anatrehanao izy ireo, Hoatran\u2019ny olona mifaly amin\u2019ny fotoam-pijinjana, Sy hoatran\u2019ny olona faly rehefa mizara zavatra azo babo.",
        "4": "Fa toy ny tamin\u2019ny andron\u2019ny Midianina, Dia hopotipotehinao ny zioga nentin\u2019izy ireo, Sy ny tsorakazo nikapohana ny sorony, izany hoe ny tehin\u2019ireo mpanery azy hiasa.",
        "5": "Hatao fandrehetana\u00a0afo Ny baotin\u2019izay mampihovotrovotra ny tany rehefa mandeha, Sy ny akanjo rehetra feno\u00a0ra.",
        "6": "Fa misy zaza teraka ho antsika, Zazalahy no homena antsika, Ary ho eo am-pelatanany ny fahefana. Ny anarany hatao hoe Mpanolo-tsaina Mahagaga, Andriamanitra Mahery, Ray Mandrakizay, Andrianan\u2019ny Fiadanana.",
        "7": "Hitombo foana ny fahefany, ka tsy hifarana mihitsy izany. Tsy hisy farany koa ny fiadanana Eo amin\u2019ny seza fiandrianan\u2019i Davida sy ny fanjakany. Ho mafy orina izy\u00a0io, Ary ny rariny sy ny hitsiny no hampaharitra azy, Manomboka izao ka ho mandrakizay. Ny hafanam-pon\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika no hanatanteraka an\u2019izany.",
        "8": "Nilaza fanamelohana tamin\u2019i Jakoba i Jehovah, Ka ho tanteraka amin\u2019ny Israely izany.",
        "9": "Ary hahalala an\u2019izany ny vahoaka manontolo, Dia i Efraima sy ny mponin\u2019i Samaria, Izay mirehareha sy maniratsira, ka milaza hoe:",
        "10": "\u201cNirodana ny biriky, Fa izahay kosa hanorina amin\u2019ny vato voapaika. Nokapaina ny aviavidia, Fa izahay kosa hanolo azy amin\u2019ny hazo sedera.\u201d",
        "11": "Hampirisihin\u2019i Jehovah ny fahavalon\u2019i Rezina mba hanohitra azy, Ary hoentaniny hanao zavatra ny fahavalon\u2019ny Israely,",
        "12": "Dia i Syria avy any atsinanana sy ny Filistinina avy any andrefana. Hanokatra ny vavany mba handrapaka ny Israely izy ireo. Noho izany rehetra izany, dia mbola tezitra foana Izy, Ka mbola manatsotra ny tanany mba hamely.",
        "13": "Tsy niverina tamin\u2019Ilay namely azy mantsy ny vahoaka, Sady tsy nitady an\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika.",
        "14": "Dia hotapahin\u2019i Jehovah ao anatin\u2019ny iray andro Ny loha sy ny rambo, ary ny tsimoka sy ny harefo, eo amin\u2019ny Israely.",
        "15": "Ny anti-panahy sy ny olo-manan-kaja no loha, Ary ny mpaminany mampianatra zavatra diso no rambo.",
        "16": "Ny mpitarika an\u2019ity vahoaka ity ihany no mampirenireny azy, Ka sahiran-tsaina ny olona tarihiny.",
        "17": "Tsy ho faly amin\u2019ny ankizilahin\u2019izy ireo \u00e0ry i Jehovah, Sady tsy hamindra fo amin\u2019ny kamboty ray sy ny mpitondratena eo aminy. Miala amin\u2019Andriamanitra daholo mantsy izy ireo sady mpanao ratsy, Ary miteniteny foana daholo ny olona rehetra. Noho izany rehetra izany, dia mbola tezitra foana Izy, Ka mbola manatsotra ny tanany mba hamely.",
        "18": "Midedadeda hoatran\u2019ny afo ny faharatsiana, Ka levoniny ny tsilo sy ny ahidratsy. Hodorany koa ny kirihitrala, Ka hidonaka ny setroka avy aminy.",
        "19": "Nodorana ilay tany, Satria tezitra be i Jehovah Tompon\u2019ny tafika. Ary hatao fandrehetana afo ny olona. Tsy avelan\u2019izy ireo hiangana na dia ny rahalahiny aza.",
        "20": "Hotetehiny ny eo ankavanana, Nefa mbola ho noana ihany izy, Ary hohaniny ny eo ankavia, Nefa tsy ho voky izy. Samy hihinana ny nofon-tsandriny izy ireo,",
        "21": "Ka i Manase hihinana an\u2019i Efraima, Ary i Efraima hihinana an\u2019i Manase. Hiaraka hamely an\u2019i Joda izy ireo. Noho izany rehetra izany, dia mbola tezitra foana Izy, Ka mbola manatsotra ny tanany mba hamely."
    },
    "10": {
        "1": "Hahita loza izay mamoaka fitsipika mampidi-doza, Dia izay tsy mitsahatra mamorona didy mampahory,",
        "2": "Mba tsy hihainoana ny fitorian\u2019ny mahantra, Na hanomezana rariny ny madinika eo amin\u2019ny vahoakako, Ka halain\u2019izy ireo ny fananan\u2019ny mpitondratena, Ary horobainy ny kamboty ray!",
        "3": "Dia ahoana no hataonareo amin\u2019ny andro fitsarana, Rehefa tonga ny fandravana avy any lavitra? Any amin\u2019iza ianareo no handositra hitady fanampiana, Ary havelanareo aiza ny harenanareo?",
        "4": "Tsy hisy ho azo atao afa-tsy ny mihohoka miaraka amin\u2019ireo gadra, Na ny mitsitra miaraka amin\u2019ireo voavono. Noho izany rehetra izany, dia mbola tezitra foana Izy, Ka mbola manatsotra ny tanany mba hamely.",
        "5": "\u201cJereo ny Asyrianina! Izy no tsorakazo hampiasaiko mba hanehoako ny fahatezerako, Ary ny tehina eny an-tanany no hoentiko hanasaziana.",
        "6": "Hirahiko hamely firenena mpikomy izy, Hamely vahoaka nampahatezitra\u00a0be ahy. Hasaiko maka babo be dia be sy mandroba zavatra maro koa izy, Ary manosihosy an\u2019ireny toy ny fanosihosy fotaka eny an-dalana.",
        "7": "Tsy te hanao an\u2019izany anefa izy, Ary tsy hitetika hanao an\u2019izany ny fony, Fa efa ao am-pony ny handringana Sy handripaka firenena be dia be fa tsy vitsy.",
        "8": "Milaza mantsy izy hoe: \u2018Tsy mpanjaka daholo koa angaha ireo andrianako?",
        "9": "Tsy hoatran\u2019i Karkemisy ihany ve i Kalno? Tsy tahaka an\u2019i Arpada ihany ve i Hamata? Ary tsy hoatran\u2019i Damaskosy ihany ve i Samaria?",
        "10": "Nalaiko ny fanjakan\u2019ireo andriamanitra tsy misy dikany, Izay nanana sary sokitra betsaka noho ny tany Jerosalema sy Samaria.",
        "11": "Koa tsy hataoko amin\u2019i Jerosalema sy ny sampiny\u00a0ve Izay efa nataoko tamin\u2019i Samaria sy ny andriamaniny tsy misy dikany?",
        "12": "\u201cRehefa vitan\u2019i Jehovah daholo ny asany eo amin\u2019ny Tendrombohitra Ziona sy any Jerosalema, dia hosaziny ny mpanjakan\u2019i Asyria, satria maniratsira sy mirehareha ary manambony tena.",
        "13": "Miteny mantsy izy hoe: \u2018Ho vitako izany noho ny herin-tsandriko Sy noho ny fahendreko, fa hendry aho. Ary hofoanako ny sisin-tanin\u2019ireo firenena, Sady horobaiko ny harenany. Dia hifehy an\u2019ireo mponina aho, hoatran\u2019ny ataon\u2019ny lehilahy matanjaka.",
        "14": "Ho toy ny lehilahy maka tranom-borona aho, Ka halaiko ny harenan\u2019ireo firenena. Ary ho tahaka ny olona manangona atody nilaozana aho, Ka hangoniko ny zava-drehetra eto an-tany. Dia tsy hisy vorona ho afaka hikopaka elatra na hanoka-bava na hikiakiaka.\u2019\u201d",
        "15": "Ny famaky ve dia hanandra-tena ho ambony noho izay mikapa aminy? Ny tsofa ve dia hihevi-tena ho ambony noho izay manatsofa aminy? Ny tehina ve dia ho afaka hanetsiketsika an\u2019ilay manainga azy? Ary ny tsorakazo ve dia ho afaka hanainga an\u2019ilay mitazona azy?",
        "16": "Izao \u00e0ry no hataon\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, ilay tena Tompo: Handefasany aretina mankahia ireo matavy eo aminy, Ary handrehetany afo miredareda eo ambanin\u2019ny voninahiny.",
        "17": "Ho lasa afo ilay Fahazavan\u2019ny Israely, Ary ho lasa lelafo Ilay Masiny. Hiredareda izy io, ka holevoniny ao anatin\u2019ny iray andro ny ahidratsy sy ny tsilon\u2019i Asyria.",
        "18": "Hofoanany tanteraka ny ala sy ny saham-boankazo tsara tarehin\u2019i Asyria, Ka ho lasa hoatran\u2019ny olona marary lanin\u2019ny aretina.",
        "19": "Ho vitsy kely ny hazo sisa tavela ao amin\u2019ny alany, Ka na ny ankizy kely aza hahavita hanoratra ny isany.",
        "20": "Amin\u2019izany andro izany, dia tsy hiantehitra amin\u2019ilay namely azy intsony Ireo sisa tavela amin\u2019i Israely, Sy izay sisa miangana amin\u2019ny taranak\u2019i Jakoba. Fa hiantehitra amin\u2019i Jehovah, Ilay Masin\u2019ny Israely, kosa izy ireo, Sady tsy hivadika aminy.",
        "21": "Izay sisa miangana no hiverina amin\u2019ilay Andriamanitra Mahery, Dia izay sisa amin\u2019ny taranak\u2019i Jakoba.",
        "22": "Ry Israely\u00a0\u00f4, na betsaka aza ny vahoakanao, Hoatran\u2019ny fasika any an-dranomasina, Dia ny sisa amin\u2019izy ireo ihany no hiverina. Efa tapaka hoe haringana ny vahoaka, Ka hampiharina tanteraka aminy ny rariny.",
        "23": "Efa tapa-kevitra ny handringana i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, ilay Tompo Fara Tampony, Ka hampiharina amin\u2019ilay tany manontolo izany.",
        "24": "Izao \u00e0ry no tenin\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, ilay Tompo Fara Tampony: \u201cRy\u00a0vahoakako mipetraka ao Ziona\u00a0\u00f4! Aza matahotra noho ny amin\u2019ny Asyrianina, izay namely anareo tamin\u2019ny tsorakazo, sady nanainga ny tehiny hamelezana anareo toy ny nataon\u2019i Ejipta.",
        "25": "Fa kely sisa dia hifarana ny fanamelohana, dia ho tezitra amin\u2019i Asyria indray aho ka handringana azy.",
        "26": "Hanambana azy amin\u2019ny karavasy i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, toy ny tamin\u2019izy nandresy ny Midianina teo akaikin\u2019ny harambaton\u2019i Oreba. Ho eo ambony ranomasina ny tehiny, ka hingainy toy ny nataony tamin\u2019i Ejipta.",
        "27": "Amin\u2019izany andro izany, dia hiala tsy ho eo an-tsorokao ny entana nampitondrain\u2019i Asyria, Ary hiala tsy ho eo am-bozonao ny ziogany. Dia hopotipotehina ilay zioga, noho ny fisian\u2019ny menaka.\u201d",
        "28": "Tonga ao Aiata i Asyria, Ary mandalo an\u2019i Migrona. Dia apetrany ao Mikmasy ny entany.",
        "29": "Ary mandeha eo amin\u2019ny toerana fiampitana izy, Ka matory ao Geba. Mihorohoro i Rama, ary mandositra i Gibea tan\u00e0nan\u2019i Saoly.",
        "30": "Manaova antsoantso sy kiakiaka mafy, ry\u00a0zanakavavin\u2019i Galima! Mihainoa, ry\u00a0Laisy Sy Anatota, izay mampalahelo!",
        "31": "Mandositra i Madmena, Ary mitady fialofana ny mponin\u2019i Gebima.",
        "32": "Hijanona ao Noba i Asyria amin\u2019izay andro izay. Hambanany totohondry ny tendrombohitr\u2019i Ziona zanakavavy, Dia ilay havoanan\u2019i Jerosalema.",
        "33": "Manapaka an\u2019ireo sampan-kazo i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, ilay tena Tompo, Ka midaraboka mafy ireny. Kapaina ireo hazo faran\u2019izay avo, Ary aetry izay ambony.",
        "34": "Kapainy amin\u2019ny fitaovana\u00a0vy ireo kirihitra any an\u2019ala, Ary hisy mahery handavo an\u2019i Lib\u00e0na."
    },
    "11": {
        "1": "Hisy rantsana hitsiry avy amin\u2019ny foto-kazon\u2019i Jese, Ary hisy tsimoka hipoitra avy amin\u2019ny fakany ka hamoa.",
        "2": "Ho feno ny fanahin\u2019i Jehovah izy, Dia fanahy mahatonga azy ho hendry sy hahira-tsaina, Fanahy manome azy torohevitra sy hery, Fanahy manome azy fahalalana sy mahatonga azy hatahotra an\u2019i Jehovah.",
        "3": "Hahafaly azy ny fahatahorana an\u2019i Jehovah. Tsy hitsara araka izay hitan\u2019ny masony fotsiny izy, Sady tsy hananatra araka izay henon\u2019ny sofiny.",
        "4": "Fa hitsara ny mahantra araka ny rariny izy, Sady hananatra araka ny hitsiny, mba hahasoa ny mpandefitra eto an-tany. Hokapohiny amin\u2019ny tehin\u2019ny vavany ny tany, Ary hovonoiny amin\u2019ny fofonain\u2019ny vavany ny ratsy\u00a0fanahy.",
        "5": "Ny fahamarinana no ho fehikibo eo amin\u2019ny andilany. Ho fehikibo eo amin\u2019ny andilany koa ny tsy fivadihana.",
        "6": "Dia hiaraka tsindraindray amin\u2019ny zanak\u2019ondry ny amboadia, Hatoritory hiaraka amin\u2019ny zanak\u2019osy ny leopara, Ary hiaraka daholo ny zanak\u2019omby sy ny liona ary ny biby nohatavezina, Ka ankizilahikely no hitarika azy ireo.",
        "7": "Hiara-misakafo ny ombivavy sy ny orsa, Dia hiara-matoritory ny zanany, Ary hihinana mololo toy ny omby ny liona.",
        "8": "Hilalao eo amin\u2019ny lavaky ny k\u00f4br\u00e0 ny zaza minono, Ary hametraka ny tanany eo amin\u2019ny lavaky ny bibilava misy poizina ny zaza nisara-nono.",
        "9": "Tsy hanisy ratsy an\u2019iza na iza izy ireo, Sady tsy hanimba na inona na inona eran\u2019ny tendrombohitro masina, Satria ho feno fahalalana an\u2019i Jehovah ny tany, Hoatran\u2019ny rano manarona ny fanambanin\u2019ny ranomasina.",
        "10": "Amin\u2019izany andro izany, dia hisy fakan\u2019i Jese hitsangana toy ny tsato-kazo famantarana ho an\u2019ny vahoaka. Any aminy ny firenena no hangataka tari-dalana, Ary ho be\u00a0voninahitra ny fonenany.",
        "11": "Amin\u2019izany andro izany, dia mbola hanolotra ny tanany fanindroany i Jehovah, mba hamerenana an\u2019izay sisa tavela amin\u2019ny vahoakany avy any Asyria sy Ejipta sy Patrosa sy Kosy sy Elama sy Sinara sy Hamata ary avy any amin\u2019ireo nosin-dranomasina.",
        "12": "Ary hanangana tsato-kazo famantarana ho an\u2019ireo firenena izy, ka hanangona an\u2019ireo Israelita niparitaka. Dia hangoniny avy any amin\u2019ny vazan-tany efatra izay niely tamin\u2019ny mponin\u2019i Joda.",
        "13": "Tsy hialona intsony i Efraima, Ary haripaka ireo mankahala an\u2019i Joda. I Efraima tsy hialona an\u2019i Joda, Ary i Joda tsy hankahala an\u2019i Efraima.",
        "14": "Dia hanidina hifaoka remby eny amin\u2019ny tehezan-kavoanan\u2019ny Filistinina any andrefana izy ireo, Ka hiaraka handroba an\u2019ireo Tatsinanana. Dia hanatsotra ny tanany hamely an\u2019i Edoma sy Moaba izy ireo, Ary ho lasa vahoakany ny Amonita.",
        "15": "Hosarahin\u2019i Jehovah ny hoalan\u2019ny ranomasin\u2019i Ejipta, Ary hambanany amin\u2019ny tanany ny Renirano. Ny fofonainy mahamay no hamelezany azy eo amin\u2019ireo sampany fito, Dia hataony afaka miampita eo tsy miala kapa akory ny olona.",
        "16": "Ary hisy lalambe avy any Asyria ho an\u2019izay sisa miangana amin\u2019ny vahoakany, dia izay sisa tavela, Hoatran\u2019ilay lalambe ho an\u2019ny Israely, tamin\u2019ilay andro nivoahany avy tany Ejipta."
    },
    "12": {
        "1": "Hiteny tokoa ianao amin\u2019izany andro izany hoe: \u201cMisaotra anao aho, Jehovah\u00a0\u00f4, Fa na dia tezitra tamiko aza ianao, Dia nitony tsikelikely ny fahatezeranao, ary nampionona ahy ianao.",
        "2": "Andriamanitra no mpamonjy ahy. Hatoky aho ka tsy hatahotra\u00a0be, Fa i Jah Jehovah no tanjako sy heriko, Ary izy no lasa mpamonjy ahy.\u201d",
        "3": "Ho faly ianareo rehefa manovo rano Ao amin\u2019ny loharanon\u2019ny famonjena.",
        "4": "Hiteny ianareo amin\u2019izany andro izany hoe: \u201cMisaora an\u2019i Jehovah, ary miantsoa ny anarany. Ampahafantaro an\u2019ireo firenena ny zavatra nataony, Ary torio hoe misandratra ny anarany.",
        "5": "Manaova hira fiderana ho an\u2019i Jehovah, fa nanao zavatra miavaka izy, Ary ampahafantaro eran-tany izany.",
        "6": "Mihorakoraha sy mihobia, ry\u00a0mponin\u2019i Ziona, Fa lehibe Ilay Masin\u2019ny Israely eo anivonareo.\u201d"
    },
    "13": {
        "1": "Naheno an\u2019izao fanamelohana an\u2019i Babylona izao tao amin\u2019ny fahitana i Isaia zanak\u2019i Amoza:",
        "2": "\u201cManang\u00e0na tsato-kazo famantarana eo amin\u2019ny tendrombohitra mangadihady. Antsoy izy ireo, dia kopahy tanana, Mba hiditra eo amin\u2019ny fidiran\u2019ny olona ambony.",
        "3": "Nanome baiko an\u2019ireo notendreko aho, Ary nampanantsoiko hampihatra ny fahatezerako ny miaramilako, Dia ireo faly sady mirehareha.",
        "4": "Izany ny feon\u2019ny vahoaka any an-tendrombohitra, Hoatran\u2019ny feon\u2019ny vahoaka mitabataba! Izany ny tabataban\u2019ireo fanjakana, Dia ireo firenena voangona! I Jehovah Tompon\u2019ny tafika no manangona ny tafika hiady.",
        "5": "Tonga avy any an-tany lavitra, Avy any amin\u2019ny faravodilanitra, i Jehovah, Sady mitondra ny fitaovam-piadiana fampiasany rehefa tezitra, Mba handrava ny tany manontolo.",
        "6": "\u201cMidradradradr\u00e0, fa akaiky ny andron\u2019i Jehovah! Ho avy toy ny fandravana ataon\u2019ilay Mahery Indrindra izany.",
        "7": "Hiraviravy \u00e0ry ny tanana rehetra, Ary hihorohoro noho ny tahotra daholo ny fon\u2019ny olona.",
        "8": "Matahotra be ny vahoaka. Tratran\u2019ny fanintona izy ireo, Sady manaintaina hoatran\u2019ny vehivavy mihetsi-jaza. Mifampijery izy ireo sady mihorohoro, Ary boramena ny tarehiny satria mitebiteby izy.",
        "9": "Ho avy ny andron\u2019i Jehovah, Dia ilay andro ahitan-doza sady ipoahan\u2019ny fahatezerana sy fisafoahana, Mba hahatonga ny olona hihorohoro rehefa mahita an\u2019ilay tany, Sy mba handripahana ny mpanota tsy ho ao intsony.",
        "10": "Tsy hampamirapiratra ny hazavany Ny kintana eny amin\u2019ny lanitra sy ireo antokon-kintana. Ho maizina ny masoandro rehefa miposaka, Ary tsy hampamirapiratra ny hazavany ny volana.",
        "11": "Dia hataoko ampamoaka ny tany noho ny faharatsiany, Hataoko ampamoaka koa ny ratsy fanahy noho ny fahadisoany. Dia hatsahatro ny fireharehan\u2019izay sahisahy ratsy, Ary haetriko ny mpitondra jadona miavonavona.",
        "12": "Ny olona indray no hataoko vitsy kely raha oharina amin\u2019ny volamena voadio, Ary ny olombelona hataoko vitsy kely raha oharina amin\u2019ny volamena avy any Ofira.",
        "13": "Hataoko mangovitra \u00e0ry ny lanitra, Ary hihozongozona hiala amin\u2019ny toerany ny tany, Satria misafoaka i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, amin\u2019ny andro anamparany ny hatezerany.",
        "14": "Ho toy ny gazela hazaina sy ho toy ny andian\u2019ondry tsy misy manangona izy ireo, Ka samy hiverina any amin\u2019ny fireneny avy, Ary samy handositra any amin\u2019ny taniny avy.",
        "15": "Ho voatrobaka izay rehetra hita\u00a0ao, Ary ho fatin\u2019ny sabatra izay rehetra tratra ao.",
        "16": "Ny zanany hatao torotoro eo imasony, Ny tranony horobaina, Ary ny vadiny hisy hanolana.",
        "17": "Hoentaniko hamely azy\u00a0ireo ny Medianina, Izay tsy miraharaha volafotsy Sady tsy tia volamena.",
        "18": "Dia handripaka tovolahy ny tsip\u00eckany. Tsy hananany antra ireo naloaky ny kibo, Ary tsy hamindrany fo ny ankizy.",
        "19": "Dia ho rava hoatran\u2019ny nandravan\u2019Andriamanitra an\u2019i Sodoma sy Gomora i Babylona, Ilay fanjakana be\u00a0voninahitra indrindra, Dia ilay tan\u00e0na tsara tarehy sy mampirehareha ny Kaldeanina.",
        "20": "Tsy hisy mponina intsony any, Ary tsy hisy hipetraka hatramin\u2019ny taranaka fara aman-dimby. Tsy hisy Arabo hanangana ny tranolainy any, Ary tsy hisy mpiandry ondry hitondra ny andian\u2019ondriny hiala sasatra any.",
        "21": "Fa ny biby izay mipetraka any amin\u2019ny faritra karakaina no hatoritory any, Ary ho feno vorondolo lehibe ireo trano. Ny aotirisy koa no hipetraka any, Ary ny osidia no hitsambikimbikina any.",
        "22": "Hisy biby hinaonaona eny amin\u2019ireo tilikambony, Ary hisy alikadia ao amin\u2019ireo lapany mirenty. Efa akaiky ny fotoana hanasaziana azy, ka tsy hohalavaina ny androny.\u201d"
    },
    "14": {
        "1": "Fa hamindra fo amin\u2019i Jakoba i Jehovah, ary mbola hifidy ny Israely indray izy. Dia hapetrany ao amin\u2019ny taniny izy ireo, ary hiaraka amin\u2019izy ireo ny hafa\u00a0firenena ka hitambatra amin\u2019ny taranak\u2019i Jakoba.",
        "2": "Hoentin\u2019ny hafa\u00a0firenena hiverina hody izy ireo. Ary hataon\u2019ny taranak\u2019Israely ho mpanompolahiny sy mpanompovaviny any amin\u2019ny tanin\u2019i Jehovah ireny. Dia hataon\u2019ny taranak\u2019Israely babo ireo nitondra azy ho babo, ary hofeheziny ireo mpanery azy hiasa.",
        "3": "Amin\u2019ny andro hampitsaharan\u2019i Jehovah ny fijalianao sy ny korontana eo aminao ary ny fanandevozana anao,",
        "4": "dia haneso ny mpanjakan\u2019i Babylona ianao hoe: Angaha vita hatreo ny amin\u2019ilay mpanery olona hiasa? Angaha tapitra ny fampijaliana?",
        "5": "Notapahin\u2019i Jehovah ny tsorakazon\u2019ny ratsy\u00a0fanahy Sy ny tehin\u2019ny mpitondra,",
        "6": "Dia ilay misafoaka sady mikapoka vahoaka tsy an-kijanona, Ary tezitra sady manjakazaka amin\u2019ireo firenena ka manenjika azy foana.",
        "7": "Lasa milamina ny tany manontolo, ary tsy misy manakorontana intsony. Dia mifaly sy mihoby ny olona.",
        "8": "Na ny hazo zenevrie aza dia faly noho izay manjo anao, Ary faly koa ny sederan\u2019i Lib\u00e0na. Dia hoy izy ireo: \u2018Tsy misy olona mikapa anay intsony, Hatramin\u2019izay nianjeranao izay.\u2019",
        "9": "Na ny Fasana any ambany aza taitra Ka hitsena anao rehefa tonga ianao. Noho ianao, dia fohaziny ireo maty izay tsy mahavita na inona na inona, Izany hoe ny mpitarika rehetra mampitondra fahoriana eto an-tany. Ary asainy mitsangana avy eo amin\u2019ny seza fiandrianany daholo ny mpanjakan\u2019ireo firenena.",
        "10": "Dia hoy izy rehetra aminao: \u2018Ianao koa angaha lasa malemy hoatr\u2019anay? Lasa mitovy aminay angaha ianao?",
        "11": "Navarina at\u1ef3 amin\u2019ny Fasana ny reharehanao, Dia ny feon\u2019ny zavamaneno fitendrinao. Olitra no velarina mba hatorianao, Ary kankana no irakofanao.\u2019",
        "12": "Angaha nianjera avy any an-danitra ianao, Ry ilay mamirapiratra, zanaky ny maraina? Angaha voakapa hianjera amin\u2019ny tany ianao, Ry ilay nandresy an\u2019ireo firenena?",
        "13": "Fa hoy ianao anakampo: \u2018Hiakatra any an-danitra aho. Hasandratro any ambonin\u2019ny kintana ny seza fiandrianako, Ary hipetraka eny amin\u2019ny tendrombohitra fivoriana aho, Dia any amin\u2019ny farany avaratra.",
        "14": "Hiakatra eny ambonin\u2019ny tampon\u2019ny rahona aho, Ka hataoko izay hampitovy ahy amin\u2019ny Avo\u00a0Indrindra.\u2019",
        "15": "Hampidinina ho any amin\u2019ny Fasana anefa ianao, Dia any amin\u2019ny farany ambany amin\u2019ny lavaka.",
        "16": "Hibanjina anao izay mahita anao, Ary handinika tsara anao izy sady hiteny hoe: \u2018Ity ve ilay lehilahy nampihovotrovotra ny tany, Sy nampangovitra fanjakana,",
        "17": "Sy nahatonga ny tany misy mponina ho lasa tany\u00a0efitra, Ka nandrava an\u2019ireo tan\u00e0na tao, Ary tsy namela an\u2019ireo olona nogadrainy handeha hody?\u2019",
        "18": "Ny mpanjaka rehetran\u2019ireo firenena, Dia samy matory amim-boninahitra, Ao amin\u2019ny fasany avy.",
        "19": "Ianao kosa ariana fa tsy ampidirina ao am-pasana, Toy ny tsimoka tsy tiana. Mandrakotra anao ny fatin\u2019ireo voatsindrona sabatra, Izay midina any amin\u2019ireo vato ao anaty lavaka. Ary hoatran\u2019ny faty voahitsakitsaka ianao.",
        "20": "Tsy hiara-milevina amin\u2019ireo mpanjaka ao am-pasana ianao, Satria nosimbanao ny taninao, Ary novonoinao ny vahoakanao. Tsy hotononina intsony ny anaran\u2019ny taranaky ny mpanao ratsy.",
        "21": "\u201cManom\u00e0na toerana hamonoana ny zanany, Noho ny fahadisoan\u2019ny razambeny. Sao izy ireo ho lasa mahery ka haka ny tany, Dia hofenoiny tan\u00e0na ilay tany.\u201d",
        "22": "\u201cHitsangana hamely azy ireo aho\u201d, hoy i Jehovah Tompon\u2019ny tafika. \u201cHofoanako ny anaran\u2019i Babylona sy izay sisa miangana aminy ary ny taranany fara\u00a0aman-dimby\u201d, hoy i Jehovah.",
        "23": "\u201cHataoko fonenan\u2019ny sokina izy, ary hataoko lasa faritra feno honahona. Hofafako amin\u2019ny kifafa fandringanana koa izy\u201d, hoy i Jehovah Tompon\u2019ny tafika.",
        "24": "Efa nianiana i Jehovah Tompon\u2019ny tafika hoe: \u201cIzay efa noeritreretiko no hitranga, Ary izay hevitra efa notapahiko no ho tanteraka.",
        "25": "Hotorotoroiko ao amin\u2019ny taniko ny Asyrianina, Ary hohitsakitsahiko eny amin\u2019ny tendrombohitro. Hesorina amin\u2019ny vahoakako ny ziogany, Ary hesorina tsy ho eo an-tsorony ny entany.\u201d",
        "26": "Izany no fanapahan-kevitra momba ny tany manontolo, Ary izany no tanana atsotra hamelezana ny firenena rehetra.",
        "27": "Fa i Jehovah Tompon\u2019ny tafika no nanapa-kevitra, Ka iza no afaka manakana an\u2019izany? Ary manatsotra ny tanany izy, Ka iza no afaka mampihemotra an\u2019izany?",
        "28": "Tamin\u2019ny taona nahafatesan\u2019i Ahaza Mpanjaka no nanaovana an\u2019izao fanambarana izao:",
        "29": "\u201cAza misy mifaly ny ao aminao, ry\u00a0Filistia, Satria hoe tapaka ny tehin\u2019ilay namely anao. Fa hisy bibilava misy poizina hipoitra avy amin\u2019ilay menarana, Ka ny taranany dia ho bibilava misy poizina sady afaka misidina.",
        "30": "Hisakafo ny lahimatoan\u2019ny madinika, Ary hatory tsy hanana ahiahy ny mahantra. Fa ny fakanao kosa hataoko matin\u2019ny mosary, Ary hovonoina izay tavela eo aminao.",
        "31": "Midradradradr\u00e0, ry vavahady\u00a0\u00f4! Miantsoantsoa, ry\u00a0tan\u00e0na\u00a0\u00f4! Ho kivy daholo ny ao aminao, ry\u00a0Filistia! Fa misy setroka avy any avaratra, Ary tsy misy taraiky ny miaramilany na iray aza.\u201d",
        "32": "Inona no havaliny an\u2019ireo olona nirahin\u2019ilay firenena? Efa nametraka ny fototr\u2019i Ziona, hono hoe, i Jehovah, Ary hialoka ao ny madinika eo amin\u2019ny vahoakany."
    },
    "15": {
        "1": "Ny fanamelohana an\u2019i Moaba: Indray alina izay, dia voaroba i Aran\u2019i Moaba, Ka nangina. Indray alina izay koa, dia voaroba i Kiran\u2019i Moaba, Ka nangina.",
        "2": "Niakatra nankany amin\u2019ny Trano sy nankany Dibona izy, Dia tany amin\u2019ny toerana avo, mba hitomany. Midradradradra i Moaba noho ny amin\u2019i Nebo sy Medeba. Nosolaina daholo ny olona ao, ary nesorina daholo ny volombavany.",
        "3": "Misikina lamba gony izy ireo eny an-dalana. Midradradradra eny an-tampon-tranony sy eny amin\u2019ny tany malalaka ny olona rehetra\u00a0ao. Sady midina izy ireo no mitomany.",
        "4": "Miantsoantso i Hesbona sy Elale, Ka heno hatrany Jahaza ny feony. Izany no mahatonga ny miaramilan\u2019i Moaba hiantsoantso mafy foana. Mangovitra izy.",
        "5": "Mitaraina aho ato am-poko noho ny amin\u2019i Moaba. Tonga hatrany Zoara sy Egleta-selisia ny olona nandositra avy any Moaba. Samy mitomany izy ireo miakatra ny fiakarana any Lohita, Ary mitaraindraina eny an-dalana mankany Horonaima, noho ilay loza mitranga.",
        "6": "Ritra tanteraka ny ranon\u2019i Nimrima. Maina ny ahi-maitso, Maty ny ahitra, ary tsy misy zava-maitso intsony.",
        "7": "Entin\u2019izy ireo \u00e0ry ny zavatra sisa tavela tao amin\u2019ny trano fitehirizany sy izay sisa tamin\u2019ny harenany, Dia miampita ny lohasaha misy hazo aravaha izy ireo.",
        "8": "Fa manako eran\u2019ny faritr\u2019i Moaba ny fitarainana, Ary heno hatrany Eglaima ny fidradradradrana, Sady heno hatrany Bera-elima.",
        "9": "Lasa feno ra mantsy ny ranon\u2019i Dimona, Ary misy zavatra hafa koa homeko an\u2019i Dimona: Liona hamely an\u2019ireo tafavoaka avy any Moaba, Sy hamely an\u2019ireo sisa tavela ao amin\u2019ilay tany."
    },
    "16": {
        "1": "Andefaso ondrilahy ny mpitondra eo amin\u2019ilay tany, Dia ondry avy any Sela hamakivaky ny tany efitra Hatrany amin\u2019ny tendrombohitr\u2019i Ziona zanakavavy.",
        "2": "Hoatran\u2019ny voro-manidina voaroaka ao amin\u2019ny akaniny, Dia ho toy izany ny zanakavavin\u2019i Moaba eny amin\u2019ny toerana fiampitana an\u2019i Arnona.",
        "3": "\u201cManomeza torohevitra, dia tanteraho ilay fanapahan-kevitra. Ataovy maizina\u00a0be hoatran\u2019ny amin\u2019ny alina ny alokao amin\u2019ny mitataovovonana. Afeno ny olona miparitaka, ary aza mamadika an\u2019izay mandositra.",
        "4": "Enga anie ka hipetraka ao aminao izay vahoakako miparitaka, ry\u00a0Moaba! Ataovy lasa toerana fiafenany ianao, satria ho avy ny mpandringana azy. Tsy hisy mpampijaly intsony, Ary ho tapitra ny fandringanana. Haripaka tsy hisy eto an-tany intsony koa izay manao tsinontsinona olona.",
        "5": "Hatao mafy orina ny seza fiandrianana, Dia ho be fitiavana sy tsy hivadika ary ho mendri-pitokisana ilay mpanjaka hipetraka eo, ao amin\u2019ny tranolain\u2019i Davida. Hitsara araka ny rariny izy, ary hampihariny haingana izay mahitsy.\u201d",
        "6": "Efa henonay ny fireharehan\u2019i Moaba, fa mirehareha\u00a0be izy. Manambony tena sy mirehareha izy sady romotra. Miteniteny foana anefa izy ka tsy hahavita na inona na inona akory.",
        "7": "Hidradradradra \u00e0ry i Moaba noho ny fahoriany, Hidradradradra daholo ny olona any. Hitaraindraina izay ampijalina, satria malahelo ny mofo vita amin\u2019ny voaloboka maina any Kira-haresa.",
        "8": "Malazo ny voly eny amin\u2019ny tanimboly mikitohatohatr\u2019i Hesbona. Malazo koa ny voalobok\u2019i Sibma. Nohitsakitsahin\u2019ny mpitondran\u2019ireo firenena ny sampany mena midorehitra. Tonga hatrany Jazera ireny sampany ireny, Ary nisandrahaka hatrany an-tany efitra. Nandrobona ny tsimok\u2019ireny, ka tonga hatrany amin\u2019ny ranomasina.",
        "9": "Hitomany noho ny voalobok\u2019i Sibma \u00e0ry aho, hoatran\u2019ny itomaniako an\u2019i Jazera. Hataoko kotsan\u2019ny ranomasoko ianareo, ry\u00a0Hesbona sy Elale, Satria tsy mihorakoraka intsony ny mpioty voankazo masaka fahavaratra sy ny mpijinja.",
        "10": "Tsy misy mifalifaly sy miravoravo intsony eny amin\u2019ny saham-boankazo, Ary tsy misy mihirahira sy mihorakoraka intsony eny an-tanimboaloboka. Tsy manitsakitsaka voaloboka ao anaty lavaka famiazam-boaloboka intsony ny olona mpanao an\u2019izany, Satria natsahatro tanteraka ny horakoraka.",
        "11": "Mipararetra ny foko noho ny amin\u2019i Moaba, Ka mangovitra hoatran\u2019ny harpa tendrena. Mangovitra koa ny any anatiko lalina any, noho ny amin\u2019i Kira-haresa.",
        "12": "Tsy hahavita na inona na inona i Moaba, na dia mandrera-tena eny amin\u2019ny toerana avo aza, sady mandeha mivavaka eny amin\u2019ny toerany masina.",
        "13": "Izany no efa nolazain\u2019i Jehovah momba an\u2019i Moaba.",
        "14": "Hoy indray i Jehovah izao: \u201cAto anatin\u2019ny telo taona, hoatran\u2019ny taona iasan\u2019ny mpikarama, dia hatao afa-baraka i Moaba, ary hisahotaka\u00a0be ny olona ao aminy. Ho vitsy\u00a0kely sisa sady tsy hatanjaka ny olona tavela ao.\u201d"
    },
    "17": {
        "1": "Ny fanamelohana an\u2019i Damaskosy: \u201cTsy ho tan\u00e0na intsony i Damaskosy any aoriana any, Fa ho lasa korontam-bato mivangongo sisa.",
        "2": "Hiala ao amin\u2019ireo tan\u00e0nan\u2019i Aroera daholo ny mponina\u00a0ao. Ho lasa toerana fatorian\u2019ny andiam-biby ireo tan\u00e0na ireo, Ary tsy hisy hampatahotra an\u2019ireny any.",
        "3": "Tsy hisy tan\u00e0na voaro mafy intsony any Efraima, Ary tsy hisy fanjakana intsony ao Damaskosy. Dia hitovy amin\u2019izay nanjo ny voninahitry ny Israelita No hanjo ny voninahitr\u2019izay sisa tavela any Syria\u201d, hoy i Jehovah Tompon\u2019ny tafika.",
        "4": "\u201cHihena ny voninahitr\u2019i Jakoba, amin\u2019izany andro izany, Ary ho lasa mahia kely ilay vatany salama.",
        "5": "Izany dia ho toy ny rehefa misy mpijinja manangona varimbazaha eny an-tanimbary, Ka mampiasa ny sandriny mba hijinjana salohim-bary, Ary ho toy ny rehefa misy olona mitsimpona varimbazaha eny amin\u2019ny Lohasahan\u2019ny Refaima.",
        "6": "Dia kely sisa no ho azo tsimponina, Toy ny rehefa manintsana voan\u2019oliva, Ka voan\u2019oliva masaka roa na telo sisa no eny amin\u2019ny sampany ambony indrindra, Ary efatra na dimy sisa no eny amin\u2019ireo sampany mamoa\u201d, hoy i Jehovah Andriamanitry ny Israely.",
        "7": "Amin\u2019izany andro izany, dia hanantena an\u2019ilay Mpanao azy ny olona, ary hibanjina an\u2019Ilay Masin\u2019ny Israely ny masony.",
        "8": "Tsy hitodika any amin\u2019ireo alitara nataon\u2019ny tanany izy, sady tsy hijery an\u2019izay nataon\u2019ny rantsantanany, na ny tsato-kazo masina izany na ny fandoroana emboka manitra.",
        "9": "Amin\u2019izany andro izany, dia ho lasa hoatran\u2019ny tan\u00e0na nilaozana any an\u2019ala ireo tan\u00e0nany voaro mafy, Hoatran\u2019ny sampan-kazo nilaozan\u2019ny olona teo alohan\u2019ny Israelita. Dia ho ngazana ilay toerana.",
        "10": "Efa nanadino an\u2019ilay Andriamanitra mpamonjy anao mantsy ianao, Sady tsy nahatsiaro an\u2019ilay Vatolampy, ilay manda miaro anao. Izany no antony anaovanao saha tsara tarehy, Sy ambolenao tsimoka avy any an-tany hafa.",
        "11": "Fefenao tsara ny volinao mandritra ny andro, Ary ataonao mitsimoka ny voa afafinao, amin\u2019ny maraina, Kanefa tsy hisy ny vokatra, rehefa marary\u00a0be ianao sady azon\u2019ny fanaintainana tsy misy fanafany.",
        "12": "Izany ny feon\u2019ny vahoaka maro misahotaka, Izay mitabataba hoatran\u2019ny ranomasina misamboaravoara! Mitabataba be ireo firenena, Ka hoatran\u2019ny rano mikoriana mafy ny feony!",
        "13": "Hitabataba toy ny rano\u00a0be misasasasa ireo firenena. Dia hoteneniny mafy izy ireo, ka handositra lavitra, Ary horoahina toy ny akofa entin\u2019ny rivotra eny an-tendrombohitra, Sy toy ny tsilo avadibadiky ny tafio-drivotra.",
        "14": "Misy horohoro amin\u2019ny takariva. Raha mbola tsy maraina ny andro, dia tsy ho eo intsony ireo fahavalo. Izany no anjaran\u2019ireo mamabo antsika Sy ireo mandroba antsika."
    },
    "18": {
        "1": "Hahita loza ilay tany feno bibikely manana elatra, Dia ilay tany any amin\u2019ny faritry ny reniranon\u2019i Etiopia!",
        "2": "Io tany io no mandefa iraka handeha eny ambony ranomasina, Sy handeha lakan-jozoro eny ambony rano, ka miteny hoe: \u201cRy iraka haingam-pandeha! Mandehana any amin\u2019ny firenena lava ranjanana sy malama hoditra, Any amin\u2019ny vahoaka atahoran\u2019ny olona hatraiza hatraiza, Sady firenena matanjaka sy mpandresy. Lasan\u2019ny renirano koa ny taniny.\u201d",
        "3": "Ry mponina rehetra ao amin\u2019ilay tany, sy ianareo mipetraka et\u1ef3 ambonin\u2019ny tany! Izay hitanareo dia ho toy ny tsato-kazo famantarana atsangana eny an-tendrombohitra. Ary haheno feo toy ny feon\u2019anjombona ianareo.",
        "4": "Fa izao no nolazain\u2019i Jehovah tamiko: \u201cHo tony aho, sady hijery eo amin\u2019ny toerana onenako, Hoatran\u2019ny hafanana mandoro sy ny hazavan\u2019ny masoandro, Ary hoatran\u2019ny ando mirotsaka ao anatin\u2019ny hafanana amin\u2019ny fotoam-pijinjana.",
        "5": "Fa alohan\u2019ny fijinjana, Rehefa mivelatra tanteraka ny felam-boaloboka ka lasa voaloboka masaka ny voniny, Dia hotapahina amin\u2019ny antsy fandrantsanam-boaloboka ny tsimoka, Ary hotapahina sy hesorina koa ny sakelika.",
        "6": "Havela ho an\u2019ny vorona mpihaza eny an-tendrombohitra daholo ireny, Ary ho an\u2019ny bibidia et\u1ef3 an-tany. Ho eny foana ny vorona mpihaza, mandritra ny fahavaratra, Ary ho eny foana koa ny bibidia rehetra et\u1ef3 an-tany, mandritra ny fotoam-pijinjana.",
        "7": "Amin\u2019izay fotoana izay, dia hisy fanomezana haterina any amin\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, Dia fanomezana avy any amin\u2019ny firenena lava\u00a0ranjanana sy malama hoditra, Avy any amin\u2019ny vahoaka atahoran\u2019ny olona hatraiza hatraiza, Avy any amin\u2019ny firenena matanjaka sy mpandresy. Lasan\u2019ny renirano koa ny taniny, Ka tonga any amin\u2019ny toerana mitondra ny anaran\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, dia ny Tendrombohitra Ziona.\u201d"
    },
    "19": {
        "1": "Ny fanamelohana an\u2019i Ejipta: Mitaingina rahona haingam-pandeha i Jehovah ka mankany Ejipta. Hangovitra eo anatrehany ireo andriamanitra tsy misy dikany ivavahan\u2019i Ejipta, Ary hihorohoro ny fon\u2019ny olona any.",
        "2": "\u201cHampirisihiko hifamely ny Ejipsianina, Ka hiady izy samy izy. Samy hiady amin\u2019ny rahalahiny sy amin\u2019ny namany avy izy ireo. Ny tan\u00e0na hiady amin\u2019ny tan\u00e0na, ary ny fanjakana hiady amin\u2019ny fanjakana.",
        "3": "Dia ho sahiran-tsaina i Ejipta, Ary hataoko mikorontana ny tetika ataony. Hitady fanampiana any amin\u2019ny andriamanitra tsy misy dikany izy ireo, Sy any amin\u2019ny mpilalao ody sy ny mpamoha angatra ary ny mpilaza ny hoavy.",
        "4": "Havelako ho resin\u2019ny mpitondra masiaka i Ejipta, Ka mpanjaka masiaka no hifehy azy\u201d, hoy i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, ilay tena Tompo.",
        "5": "Ho ritra ny ranomasina, Ary ho maina tanteraka sy ho ritra koa ny renirano.",
        "6": "Ho maimbo ireo renirano, Ary hihena sady ho maina tanteraka ireo lakandranon\u2019i Neily any Ejipta, Ka ho lo ny bararata sy ny harefo.",
        "7": "Ho maina ny zavamaniry eny amoron\u2019ny Reniranon\u2019i Neily, eo amin\u2019ny vinaniny, Sy ny tany rehetra namafazam-boa eny amoron\u2019i Neily. Hopaohin\u2019ny rivotra izany ka tsy hisy intsony.",
        "8": "Dia hitomany ny mpanjono, Hitaraina ny mpamintana eo amin\u2019ny Reniranon\u2019i Neily, Ary hihavitsy ireo mpamelatra harato eo amin\u2019ny rano.",
        "9": "Hatao afa-baraka ireo mpanao lamba amin\u2019ny rongony voakarakara, Sy ny mpanenona lamba fotsy.",
        "10": "Ho torotoro ny mpanenona lamba, Ary halahelo ny mpikarama rehetra.",
        "11": "Tena adala ny andrianan\u2019i Zoana. Manome torohevitra adaladala koa ny hendry\u00a0indrindra amin\u2019ny mpanolo-tsain\u2019i Farao. Dia sahinareo ve ny miteny amin\u2019i Farao hoe: \u201cTaranaky ny olon-kendry aho, Sady taranaky ny mpanjaka fahiny\u201d?",
        "12": "Aiza \u00e0ry ireny olon-kendrinao ireny? Asaivo lazainy aminao raha fantany ny fanapahan-kevitr\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika momba an\u2019i Ejipta.",
        "13": "Manao hadalana ny andrianan\u2019i Zoana. Voafitaka ny andrianan\u2019i Nofa, Ary nanoro vohony an\u2019i Ejipta ny lehibem-pokony.",
        "14": "Nataon\u2019i Jehovah sahiran-tsaina i Ejipta, Ary manoro vohony an\u2019i Ejipta amin\u2019izay rehetra ataony ny mpitarika azy, Ka hoatran\u2019ny olona mamo mibolisatra eo amin\u2019ny zavatra naloany izy.",
        "15": "Tsy hisy asa hatao mihitsy koa any Ejipta, Na ho an\u2019ny loha izany na ho an\u2019ny rambo, na ho an\u2019ny tsimoka na ho an\u2019ny harefo.",
        "16": "Amin\u2019izany andro izany, dia ho toy ny vehivavy i Ejipta ka hangovitra sy hatahotra\u00a0be, satria hanambana azy amin\u2019ny tanany i Jehovah Tompon\u2019ny tafika.",
        "17": "Ho lasa hatahoran\u2019i Ejipta ny tanin\u2019i Joda. Hihorohoro izy ireo raha vao misy olona miresaka momba an\u2019ilay tany fotsiny, satria efa nanapa-kevitra i Jehovah Tompon\u2019ny tafika hoe hamely azy.",
        "18": "Amin\u2019izany andro izany, dia hisy tan\u00e0na dimy any Ejipta hiteny amin\u2019ny fiteny any Kanana, sady hianiana hoe tsy hivadika amin\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika. Ary hisy tan\u00e0na iray hantsoina hoe Tan\u00e0nan\u2019ny Faharavana.",
        "19": "Amin\u2019izany andro izany, dia hisy alitara ho an\u2019i Jehovah eo afovoan\u2019i Ejipta, ary hisy tsangambato ho an\u2019i Jehovah eo amin\u2019ny sisin-taniny.",
        "20": "Ho famantarana sy vavolombelona ho an\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika izany, any Ejipta. Hitaraina amin\u2019i Jehovah mantsy izy ireo noho ny ataon\u2019ireo mpampijaly azy. Dia handefasany mpamonjy lehibe izy ireo hamonjy azy.",
        "21": "Ary ho fantatry ny Ejipsianina i Jehovah. Hahafantatra an\u2019i Jehovah tokoa ny Ejipsianina, amin\u2019izany andro izany. Dia hanao sorona sy fanomezana izy ireo, ary hivoady amin\u2019i Jehovah ka hanatanteraka an\u2019izany.",
        "22": "Hamely an\u2019i Ejipta i Jehovah. Hamely azy Izy nefa koa hanasitrana azy. Ary hiverina amin\u2019i Jehovah izy ireo, dia hihaino ny fitalahoany Izy ka hanasitrana azy.",
        "23": "Amin\u2019izany andro izany, dia hisy lalambe avy any Ejipta mankany Asyria, ka ho tonga any Ejipta i Asyria, ary ho tonga any Asyria i Ejipta. Dia hiaraka hanompo an\u2019Andriamanitra i Ejipta sy Asyria.",
        "24": "Amin\u2019izany andro izany, dia ho fahatelo i Israely, miaraka amin\u2019i Ejipta sy Asyria, ka ho fitahiana eo amin\u2019ilay tany.",
        "25": "Hitso-drano azy mantsy i Jehovah Tompon\u2019ny tafika hoe: \u201cHotahina anie i Ejipta, ilay vahoakako, sy Asyria, ilay asan\u2019ny tanako, ary Israely lovako!\u201d"
    },
    "20": {
        "1": "Tamin\u2019ny taona nanirahan\u2019i Sargona mpanjakan\u2019i Asyria an\u2019i Tartana ho ao Asdoda, dia niady tamin\u2019i Asdoda izy ka namabo azy.",
        "2": "Niteny tamin\u2019i Isaia zanak\u2019i Amoza i Jehovah tamin\u2019izay, hoe: \u201cMandehana esory ny lamba gony isikinanao, ary alao ny kapa amin\u2019ny tongotrao.\u201d Dia nataon\u2019i Isaia izany, ka nandeha nitanjaka izy sady tsy nanao kapa.",
        "3": "Dia hoy i Jehovah: \u201cNandeha nitanjaka sy tsy nanao kapa telo\u00a0taona i Isaia mpanompoko, mba ho famantarana sy fambara momba an\u2019izay hanjo an\u2019i Ejipta sy Etiopia.",
        "4": "Dia ho hoatr\u2019izany koa ny Ejipsianina hatao babo sy ny Etiopianina hatao sesitany, na ny ankizilahy na ny lehilahy efa antitra. Hitanjaka sy tsy hanao kapa ary hiseho\u00a0fitombenana izy ireo rehefa entin\u2019ny mpanjakan\u2019i Asyria, ka ho afa-baraka i Ejipta.",
        "5": "Dia hihorohoro izy ireo ary hahamenatra azy i Etiopia, ilay fanantenany, sy Ejipta, ilay reharehany.",
        "6": "Hiteny ny mponin\u2019ilay morontsiraka, amin\u2019izany andro izany, hoe: \u2018Jereo ny manjo an\u2019ilay nantenaintsika, dia ilay nihazakazahantsika mba hanampy antsika sy hamonjy antsika tamin\u2019ny mpanjakan\u2019i Asyria! Dia ahoana izao no hahafahantsika handositra?\u2019\u201d"
    },
    "21": {
        "1": "Ny fanamelohana ny tany efitra any amin\u2019ny ranomasina: Tonga toy ny tafio-drivotra mifofofofo any atsimo izany, Ary avy any an-tany efitra, avy any amin\u2019ny tany mampahatahotra.",
        "2": "Nisy fahitana mahakivy naseho tamiko: Mivadika ny mpivadika, Ary mandringana ny mpandringana. Miakara, ry Elama! Manaova fahirano, ry\u00a0Media! Hatsahatro daholo ny fisentoana vokatry ny nataony.",
        "3": "Izany no mahatonga ahy hitebiteby\u00a0be. Marary be tampoka ny hozatro, Hoatran\u2019ny an\u2019ny vehivavy efa ho teraka. Kivy loatra aho ka tsy maheno, Ary sahiran-tsaina loatra ka tsy mahita.",
        "4": "Mitebiteby ny foko. Mihorohoro mafy aho ka mangovitra. Tsy andriko izay hahamaizina ny andro, nefa rehefa tonga izany dia lasa mangovitra indray aho.",
        "5": "Omano ny latabatra ary alamino ny seza! Mihin\u00e0na dia misotroa! Mitsang\u00e0na, ry andriana, ka hosory menaka ny ampinga!",
        "6": "Fa izao no nolazain\u2019i Jehovah tamiko: \u201cMandehana manendry mpitily, dia asaivo mitantara an\u2019izay zavatra hitany izy.\u201d",
        "7": "Dia nahita kalesin\u2019ady tarihin\u2019ny soavaly roa izy, Sy kalesin\u2019ady tarihin\u2019ny ampondra, Ary kalesin\u2019ady tarihin\u2019ny rameva. Dia nanara-maso tsara izy sady nijery tsara.",
        "8": "Dia niantsoantso toy ny liona izy hoe: \u201cMijoro mandritra ny andro eto amin\u2019ny tilikambo fiambenana aho, Jehovah\u00a0\u00f4, Ary mijanona eto amin\u2019ny toeram-piambenako aho isak\u2019alina!",
        "9": "Jereo ireny tonga ireny! Ireny misy lehilahy mitaingina kalesin\u2019ady tarihin\u2019ny soavaly roa!\u201d Dia niteny izy hoe: \u201cNianjera, nianjera i Babylona! Natontany tamin\u2019ny tany daholo ny sary sokitra nataony andriamanitra, ka potipotika!\u201d",
        "10": "Ry vahoakako voahosihosy toy ny varimbazaha, Ry vokatra avy eny amin\u2019ny famoloana! Notantaraiko taminareo izay henoko tamin\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, ilay Andriamanitry ny Israely.",
        "11": "Ny fanamelohana an\u2019i Doma: Misy miantso ahy avy any Seira, hoe: \u201cRy mpitily\u00a0\u00f4! Aiza ho aiza amin\u2019ny alina isika izao? Ry mpitily\u00a0\u00f4! Aiza ho aiza amin\u2019ny alina isika izao?\u201d",
        "12": "Dia hoy ny mpitily: \u201cEfa ho tonga ny maraina, ary ho tonga koa ny alina. Raha te hanontany ianareo, dia manontania. Tongava indray\u00a0e!\u201d",
        "13": "Ny fanamelohana ny lemaka karakaina: Any anaty ala eny amin\u2019ny lemaka karakaina no hatorianareo, Ry andian\u2019olona avy any Dedana.",
        "14": "Mitondr\u00e0 rano hitsenana an\u2019izay mangetaheta, Ry mponin\u2019i Tema, Dia mitondr\u00e0 mofo ho an\u2019izay mandositra.",
        "15": "Fa nandositra sabatra izy ireo, dia sabatra efa voatsoaka tao anaty tranony, Sady nandositra tsip\u00ecka efa vonona hitifirana, sy nandositra ady mahatsiravina.",
        "16": "Fa izao no nolazain\u2019i Jehovah tamiko: \u201cAto anatin\u2019ny herintaona, hoatran\u2019ny taona iasan\u2019ny mpikarama, dia tsy hanana voninahitra intsony i Kedara.",
        "17": "Ho vitsy kely sisa no ho tavela amin\u2019ireo mpandefa tsip\u00ecka amin\u2019ny miaramilan\u2019i Kedara, fa i Jehovah Andriamanitry ny Israely no efa niteny.\u201d"
    },
    "22": {
        "1": "Ny fanambarana momba ny Lohasahan\u2019ny Fahitana: Fa inona ity manjo anao no miakatra eny an-tampon-trano daholo ny olona ao aminao?",
        "2": "Feno tabataba tao aminao, Ry tan\u00e0na mikotaba sy mirehareha! Tsy matin\u2019ny sabatra ny olona ripaka tao aminao, Sady tsy maty tany an\u2019ady.",
        "3": "Niara-nandositra daholo ny mpitondra jadona teo aminao. Nosamborina izy ireo ka nogadraina, nefa tsy nampiasana tsip\u00ecka akory. Nentina hogadraina daholo izay tratra, Na dia efa nandositra lavitra be aza.",
        "4": "Izany no antony\u00a0nilazako hoe: \u201cAza mijery ahy intsony. Hitomany aho fa malahelo be. Dia aza misisika hampionona ahy, Amin\u2019izao fandringanana ny zanakavavin\u2019ny fireneko izao.",
        "5": "Fa andron\u2019ny sahotaka sy ny faharesena ary ny tahotra izany, Ary i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, ilay Tompo Fara Tampony, no mahatonga an\u2019izany, Ao amin\u2019ilay Lohasahan\u2019ny Fahitana. Misy mandrodana ny manda, Ary misy antsoantso heno hatrany an-tendrombohitra.",
        "6": "Raisin\u2019i Elama ny tranon-jana-tsip\u00ecka, Ary iny izy fa mitaingina kalesin\u2019ady tarihin\u2019ny soavaly. Dia esorin\u2019i Kira ny saron\u2019ny ampinga.",
        "7": "Ho lasa feno kalesy fitondra miady Eny amin\u2019ny lohasaha tsara\u00a0indrindra eo aminao. Ary haka ny toerany eny am-bavahady ny soavaly.",
        "8": "Hesorina koa ny zavatra miaro an\u2019i Joda. \u201cAmin\u2019izany andro izany, dia hitodika any amin\u2019ny fitehirizam-piadiana ao amin\u2019ny Trano Alan\u2019i Lib\u00e0na ianao.",
        "9": "Dia ho hitanareo fa misy triatra be dia be ny mandan\u2019ny Tan\u00e0nan\u2019i Davida. Hanangona rano ao amin\u2019ny dobo ambany koa ianareo.",
        "10": "Dia hisainareo ny trano ao Jerosalema, ka harodanareo mba hanamafisana an\u2019ilay manda.",
        "11": "Hanamboatra fanangonan-drano eo anelanelan\u2019ny manda roa ianareo, mba hanangonana ny rano avy ao amin\u2019ilay dobo taloha. Tsy mba hitodika any amin\u2019Ilay Be\u00a0Voninahitra Mpanao an\u2019izany anefa ianareo, sady tsy mba hijery an\u2019Ilay namorona an\u2019izany taloha ela\u00a0be.",
        "12": "Amin\u2019izany andro izany, dia izao no hasaina hataonareo, araka ny baikon\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, ilay Tompo Fara Tampony: Mila mitomany sy misaona ianareo, Ary mila manasola loha sy mitafy lamba gony.",
        "13": "Tsy izany anefa no ataonareo fa ilaozanareo manao fety sy mifalifaly, Mamono omby aman\u2019ondry, Ary mihinan-kena sy misotro divay. Dia hoy ianareo: \u2018Andao isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty.\u2019\u201d",
        "14": "Ary henoko ny feon\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika niteny hoe: \u201c\u2018Tsy hisy fandrakofam-pahotana ho anareo amin\u2019izany fahadisoanareo izany, mandra-pahafatinareo\u2019, hoy i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, ilay Tompo Fara Tampony.\u201d",
        "15": "Hoy i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, ilay Tompo Fara Tampony: \u201cMankanesa ao amin\u2019io Sebna mpiandraikitra ny trano io, ka ilazao izy hoe:",
        "16": "\u2018Misy anjaranao angaha eto? Fa iza no manome alalana anao handavaka fasana eto?\u2019 Mandavaka ny fasany eny amin\u2019ny toerana avo mantsy izy, ary mandavaka toerana fialan-tsasatra ho azy eny amin\u2019ny harambato.",
        "17": "\u2018Hobatain\u2019i Jehovah anefa ianao, ralehilahy, dia hatsipiny mafy amin\u2019ny tany.",
        "18": "Hahorongorony mafy\u00a0be ianao, ka hatsipiny hoatran\u2019ny baolina eny amin\u2019ny tany malalaka. Dia any ianao no ho faty, ary ho any koa ny kalesinao mirenty\u00a0be, ka ho afa-baraka ny ankohonan\u2019ny tomponao.",
        "19": "Ary haongako hiala amin\u2019ny toeranao ianao, dia hesoriko amin\u2019ny andraikitrao.",
        "20": "\u201c\u2018Amin\u2019izany andro izany, dia hantsoiko i Eliakima mpanompoko, zanak\u2019i Hilkia.",
        "21": "Hampanaoviko azy ny akanjom-boninahitrao, dia hafatotro tsara aminy ny fehikibo lamba nanaovanao, ary hatolotro eo am-pelatanany ny fahefanao. Ary ho rain\u2019ny mponin\u2019i Jerosalema sy ny taranak\u2019i Joda izy.",
        "22": "Hapetrako eo an-tsorony koa ny lakilen\u2019ny taranak\u2019i Davida. Izay hosokafany dia tsy hisy hanidy, ary izay hohidiany tsy hisy hanokatra.",
        "23": "Hataoko hoatran\u2019ny fantsika fanantonan-javatra izay milentika eo amin\u2019ny toerana mafy\u00a0tsara izy, sady ho lasa toy ny seza fiandrianana be\u00a0voninahitra ho an\u2019ny ankohonan-drainy.",
        "24": "Dia hahantona eo aminy daholo ny voninahitry ny ankohonan-drainy: Ny taranaka fara aman-dimby, ny fitaovana madinika rehetra, ny vilia baolina, ary ny siny lehibe rehetra.",
        "25": "\u201c\u2018Amin\u2019izany andro izany\u2019, hoy i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, \u2018dia hesorina ilay fantsika fanantonan-javatra efa nalentika teo amin\u2019ny toerana mafy\u00a0tsara. Hokapaina ilay fantsika ka hianjera. Dia hianjera daholo ny entana mihantona eo aminy ka ho potika, fa i Jehovah no efa niteny.\u2019\u201d"
    },
    "23": {
        "1": "Ny fanambarana momba an\u2019i Tyro: Midradradradr\u00e0, ry\u00a0sambon\u2019i Tarsisy, Fa noravana ilay seranana ka tsy azo idirana intsony. Tany Kitima ireny no nilazana an\u2019izany.",
        "2": "Mang\u00ecna, ry mponina amoron-tsiraka! Ny mpivarotra avy any Sidona izay miampita ranomasina no nahatonga anao hanan-karem-be.",
        "3": "Ary nentina teny ambonin\u2019ny rano ny varimbazahan\u2019i Sihora, Dia ny vokatr\u2019i Neily, izay fidiram-bolan\u2019i Tyro. Lasa tombony ho an\u2019ireo firenena izany.",
        "4": "Ho menatra ianao, ry\u00a0Sidona, ilay tan\u00e0na voaro mafy eny amoron-dranomasina. Hoy mantsy ny ranomasina: \u201cTsy nihetsi-jaza aho, na niteraka, vSady tsy nitaiza ankizilahy na nitaiza ankizivavy.\u201d",
        "5": "Hitebiteby ny olona rehefa maheno an\u2019izay manjo an\u2019i Tyro, Toy ny rehefa naheno an\u2019izay nanjo an\u2019i Ejipta.",
        "6": "Miampit\u00e0 ho any Tarsisy! Midradradradr\u00e0, ry mponina amoron-tsiraka!",
        "7": "Io ve ilay tan\u00e0nanareo izay nifaly hatramin\u2019ny taloha ela\u00a0be? Nitondra azy hipetraka any an-tany lavitra ny tongony.",
        "8": "Iza no nandray an\u2019ilay fanapahan-kevitra hoe hamely an\u2019i Tyro, Ilay mpanome satroboninahitra? Andriana no mpivarotra tao aminy, Ary nomena voninahitra eran-tany ny mpivaro-mandeha tao aminy.",
        "9": "I Jehovah Tompon\u2019ny tafika no nanapa-kevitra hanao an\u2019izany, Amin\u2019izay i Tyro tsy hirehareha noho ny hatsaran-tarehiny rehetra intsony, Ary ho afa-baraka izay rehetra nomena voninahitra eran-tany.",
        "10": "Ry zanakavavin\u2019i Tarsisy\u00a0\u00f4! Mandehana miparitaka eran\u2019ny taninao, hoatran\u2019ny ataon\u2019ny Reniranon\u2019i Neily. Tsy misy intsony ny toerana fanamboarana sambo.",
        "11": "Manatsotra ny tanany eo ambonin\u2019ny ranomasina i\u00a0Jehovah, Sady manozongozona fanjakana, Ary manome baiko mba handravana ny toerana voaro\u00a0mafy any Fenisia.",
        "12": "Hoy koa izy: \u201cTsy hifaly intsony ianao, Ry ilay ampijalina, ilay virjiny zanakavavin\u2019i Sidona. Mandehana miampita ho any Kitima. Tsy ho afaka hiala sasatra anefa ianao na dia rehefa any aza.\u201d",
        "13": "Jereo ny tanin\u2019ny Kaldeanina! Io firenena io, fa tsy i Asyria, No nanao azy ho toerana ho an\u2019ny biby mpirenireny any an-tany efitra. Nanangana tilikambo fanaovana fahirano izy ireo, Ary narodany ny tilikambo voaro mafy tao aminy. Dia noravany ilay tan\u00e0na ka lasa korontam-bato.",
        "14": "Midradradradr\u00e0, ry\u00a0sambon\u2019i Tarsisy, Fa rava ny toerana voaro mafy any aminareo.",
        "15": "Amin\u2019izany andro izany, dia ho hadino mandritra ny 70\u00a0taona i Tyro, izany hoe hoatran\u2019ny halavan\u2019ny androm-piainan\u2019ny mpanjaka iray. Rehefa tapitra ny 70\u00a0taona, dia ho toy ilay mpivaro-tena voalazan\u2019izao hira izao i Tyro:",
        "16": "\u201cMak\u00e0 harpa, mandehana manodidina ny tan\u00e0na, ry\u00a0mpivaro-tena efa hadino. Tendreo tsara ny harpanao, Dia manaova hira be dia\u00a0be, Mba ho tsaroan\u2019izy ireo ianao.\u201d",
        "17": "Rehefa mifarana ny 70\u00a0taona, dia hahatsiaro an\u2019i Tyro i Jehovah. Dia hikarama indray i Tyro, ka hivaro-tena amin\u2019ny fanjakana rehetra eto tany.",
        "18": "Ho lasa zava-masina amin\u2019i Jehovah anefa ny tombony azony sy ny karamany. Tsy hotehirizina na hangonina izany. Homena an\u2019izay monina eo anatrehan\u2019i Jehovah mantsy ny karamany, amin\u2019izay izy ireo hisakafo ka ho voky ary hanao akanjo mihaja."
    },
    "24": {
        "1": "Ataon\u2019i Jehovah tsy misy na inona na inona ilay tany, ary ataony tsy misy mponina. Ataony mivadika ambony ambany ilay tany, ka aparitany ny mponina ao aminy.",
        "2": "Hitovy ihany ny hanjo ny olona rehetra: Ny vahoaka sy ny mpisorona, Ny mpanompo sy ny tompony, Ny mpanompovavy sy ny tompovaviny, Ny mpividy sy ny mpivarotra, Ny mpampindram-bola sy ny mpindram-bola, Ary ny tompon-trosa sy ny mpitrosa.",
        "3": "Ho foana tsy misy na inona na inona ilay tany. Horobaina daholo ny zavatra ao, Fa i Jehovah no efa niteny an\u2019izany.",
        "4": "Misaona ilay tany sady lasa ngazana. Malazo ny tany lonaka sady maina. Milofika ny olona ambony ao amin\u2019ilay tany.",
        "5": "Nandoto an\u2019ilay tany ny mponina ao aminy, Satria nandika ny lal\u00e0na izy ireo, Sady nanova ny fitsipika, Ary nivadika tamin\u2019ilay fifanekena natao haharitra ela\u00a0be.",
        "6": "Rava \u00e0ry ilay tany satria voaozona, Ary meloka ny mponina\u00a0ao. Mihena koa ny isan\u2019ny mponina\u00a0ao, Ka vitsy kely ny olona sisa tavela.",
        "7": "Misaona ny divay vaovao, ary malazo ny voaloboka, Ka misento daholo izay olona falifaly tany am-pony tany.",
        "8": "Vita hatreo ny fifaliana fa tsy misy feon\u2019ampongatapaka intsony, Tsy heno intsony ny tabataban\u2019ny olona miliba manao fety, Ary nijanona koa ny feo falifaly navoakan\u2019ny harpa.",
        "9": "Misotro divay izy ireo nefa tsy mihira intsony, Ary mangidy amin\u2019izay misotro azy ny tsiron\u2019ny toaka.",
        "10": "Ravarava ilay tan\u00e0na aolo. Mihidy ny trano rehetra ka tsy misy afaka miditra.",
        "11": "Miantsoantso mitady divay eny an-dalana izy ireo. Tsy misy falifaly intsony, Sady tsy misy ravoravo intsony ao amin\u2019ilay tany.",
        "12": "Lasa ravarava ilay tan\u00e0na. Nopotipotehina ny vavahady, ka lasa korontam-bato mivangongo sisa.",
        "13": "Fa ny hitranga ao amin\u2019ilay tany, izany hoe eo amin\u2019ireo firenena, Dia hoatran\u2019ny rehefa manintsana voan\u2019oliva, Sy hoatran\u2019ny mioty voaloboka sisa tavela rehefa tapitra ny fotoam-piotazana.",
        "14": "Hiteny mafy izy ireo Ka hihorakoraka sy ho faly\u00a0be. Avy any amin\u2019ny ranomasina izy ireo no hilaza hoe be\u00a0voninahitra i Jehovah.",
        "15": "Hanome voninahitra an\u2019i Jehovah \u00e0ry izy ireo any amin\u2019ilay faritry ny hazavana, Ary hanome voninahitra ny anaran\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely izy ireo any amin\u2019ireo nosin-dranomasina.",
        "16": "Haheno an\u2019izao hira izao avy any amin\u2019ny faran\u2019ny tany isika: \u201cHo an\u2019Ilay Marina anie ny voninahitra!\u201d Hoy anefa aho: \u201cEfa mihareraka aho! Efa tena mihareraka! Hahita loza aho! Mivadika mantsy ny mpivadika. Mivadika sady mamitaka ny mpivadika.\u201d",
        "17": "Izao no miandry anao, ry\u00a0mponina ao amin\u2019ilay tany: Tahotra sy lavaka ary fandrika.",
        "18": "Izay mandositra feon-javatra mampihorohoro dia ho latsaka ao anaty lavaka, Ary izay miakatra avy ao anaty lavaka dia ho tratran\u2019ny fandrika. Fa hosokafana ny vavahadin-drano any ambony, Ary hihozongozona ny fototr\u2019ilay tany.",
        "19": "Mitresaka ilay tany! Mihozongozona ilay tany! Mihovotrovotra be ilay tany!",
        "20": "Mivembena hoatran\u2019ny lehilahy mamo ilay tany, Ka mihetsiketsika hoatran\u2019ny trano rantsankazo tsofin\u2019ny rivotra. Mitambesatra be amin\u2019ilay tany ny fahadisoany, Dia hianjera izy ka tsy ho tafarina intsony.",
        "21": "Amin\u2019izany andro izany, dia hotsarain\u2019i Jehovah ny tafika eny ambony, Sy ny mpanjaka eto ambonin\u2019ny tany.",
        "22": "Dia hangonina izy ireo, Toy ny gadra angonina ao anaty lavaka. Hohidiana ao amin\u2019ny lakaly figadrana izy ireo, Dia hojerena indray rehefa afaka andro maro.",
        "23": "Ho afa-baraka ny volana fenomanana, Ary ho menatra ny masoandro mamirapiratra, Satria lasa Mpanjaka eny amin\u2019ny Tendrombohitra Ziona sy any Jerosalema i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, Sady lasa be\u00a0voninahitra eo anatrehan\u2019ny anti-panahin\u2019ny vahoakany."
    },
    "25": {
        "1": "Ianao no Andriamanitro, Jehovah\u00a0\u00f4! Mankalaza anao aho ary midera ny anaranao. Fa nanao zava-mahagaga be dia\u00a0be ianao, Dia zavatra efa nokasainao hatramin\u2019ny taloha ela\u00a0be, Satria tsy mivadika ianao sady mendri-pitokisana foana.",
        "2": "Fa nataonao lasa korontam-bato ny tan\u00e0na, Ary lasa zavatra efa ravarava sisa ny tan\u00e0na voaro mafy. Tsy tan\u00e0na intsony ilay tilikambo fonenan\u2019ny vahiny, Ary tsy haorina intsony koa.",
        "3": "Hanome voninahitra anao \u00e0ry ny vahoaka matanjaka, Dia hatahotra anao ny tan\u00e0nan\u2019ireo firenena mpanjakazaka.",
        "4": "Lasa manda fiarovana ho an\u2019ny madinika mantsy ianao, Fiarovana mafy ho an\u2019ny mahantra mijaly, Fialofana amin\u2019ny oram-baratra, Ary alokaloka amin\u2019ny hafanana. Rehefa mamely hoatran\u2019ny oram-baratra mifafy amin\u2019ny manda ny mpanjakazaka,",
        "5": "Toy ny hafanana migaingaina any amin\u2019ny tany karakaina, Dia ataonao mangina ny tabataban\u2019ny vahiny. Hoatran\u2019ny hafanana mihamalefaka rehefa tratry ny aloky ny rahona, Dia ampanginina koa ny hiran\u2019ny mpanjakazaka.",
        "6": "Hanao fanasambe ho an\u2019ny firenena rehetra i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, eto amin\u2019ity tendrombohitra ity, Dia fanasambe misy hanim-pito loha, Fanasambe misy divay tena tsara, Sy hanim-pito loha sady be\u00a0tsoka, Ary divay tena tsara efa notantavanina.",
        "7": "Hesoriny eto amin\u2019ity tendrombohitra ity ny lamba manarona ny vahoaka rehetra, Sy ny lamba voatenona mandrakotra ny firenena rehetra.",
        "8": "Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana, Ary hofafan\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony ny ranomaso amin\u2019ny tarehy rehetra. Hataony tsy afa-baraka intsony ny vahoakany, na aiza na aiza eran-tany, Fa i Jehovah no efa niteny an\u2019izany.",
        "9": "Amin\u2019izany andro izany, dia hiteny izy ireo hoe: \u201cIzy no Andriamanitsika! Manantena azy isika, Dia hamonjy antsika izy. Izy no Jehovah, Ary manantena azy isika. Andao isika hifaly sy hiravoravo satria mamonjy antsika izy.\u201d",
        "10": "Fa hiaro an\u2019ity tendrombohitra ity ny tanan\u2019i Jehovah. Dia hohitsakitsahina ao amin\u2019ny taniny ihany i Moaba, Hoatran\u2019ny mololo hitsakitsahina ao anaty zezika.",
        "11": "Hikapoka azy ny tanany, Toy ny ataon\u2019ny mpilomano mikapoka rano amin\u2019ny tanany rehefa milomano. Haetriny i Moaba fa mirehareha loatra, Ka mailaka er\u1ef3 izy hikapoka azy amin\u2019ny tanany.",
        "12": "Dia harodany ilay tan\u00e0na voaro mafy Sy ny manda fiarovany avo\u00a0be. Hazerany amin\u2019ny tany, eo amin\u2019ny vovoka, izany."
    },
    "26": {
        "1": "Amin\u2019izany andro izany, dia hohiraina eto Joda izao hira izao: \u201cManana tan\u00e0na matanjaka isika. Famonjena no ataony toy ny manda sy dongon-tany fiarovana an\u2019ilay tan\u00e0na.",
        "2": "Vohay ny vavahady mba hidiran\u2019ilay firenena marina, Dia firenena mendri-pitokisana.",
        "3": "Harovanao izay miantehitra tanteraka aminao. Hampiadaninao foana izy ireo, Satria ianao no itokisany.",
        "4": "Matokia an\u2019i Jehovah mandrakizay, Fa i Jah Jehovah no Vatolampy mandrakizay.",
        "5": "Fa aetriny izay mipetraka eny amin\u2019ny toerana ambony, eny amin\u2019ny tan\u00e0na avo. Azerany koa ilay tan\u00e0na, Azerany amin\u2019ny tany, Dia atsipiny eny amin\u2019ny vovoka.",
        "6": "Hanitsakitsaka an\u2019ilay tan\u00e0na Ny tongotry ny ampijalina sy ny faladian\u2019ny madinika.\u201d",
        "7": "Mahitsy ny lalan\u2019ny olo-marina. Mahitsy ianao, Ka hataonao mitovy tantana ny lalan\u2019ny olo-marina.",
        "8": "Jehovah\u00a0\u00f4, manaraka ny lalana atoronao izahay, Ka ianao no antenainay. Tena sarobidy aminay ny anaranao ka tianay raha hotsarovana foana.",
        "9": "Maniry anao amin\u2019ny foko manontolo aho amin\u2019ny alina, Ary mitady anao mafy aho, ao anatiko lalina ao. Rehefa mitsara ny tany mantsy ianao, Dia hianatra momba ny fahamarinana ny mponina ao amin\u2019ilay tany.",
        "10": "Na dia iantrana aza ny ratsy fanahy, Dia tsy hianatra fahamarinana. Ary na dia ao amin\u2019ny tanin\u2019ny fahitsiana aza izy, dia hanao ratsy ihany, Ka tsy hahita ny voninahitr\u2019i Jehovah.",
        "11": "Ingainao ny tananao, Jehovah\u00a0\u00f4, nefa tsy jeren\u2019izy ireo akory. Ho hitany fa mafana fo ho an\u2019ny vahoakanao ianao, ka ho menatra izy ireo. Ary handevona azy ny afo natokana ho an\u2019ny fahavalonao.",
        "12": "Hanome anay fiadanana ianao, Jehovah\u00a0\u00f4, Satria izay rehetra ataonay, Dia noho ianao no ahavitanay an\u2019izany.",
        "13": "Jehovah Andriamanitray\u00a0\u00f4, misy tompo hafa ankoatra anao lasa mifehy anay. Ny anaranao ihany anefa no derainay.",
        "14": "Maty izy ireo ka tsy ho velona intsony. Maty tsy mahavita na inona na inona izy ireo ka tsy hitsangana intsony. Fa nitsara azy ireo ianao, Mba handringana azy ka tsy horesahina intsony ny momba azy.",
        "15": "Nataonao lasa be dia be ny mponina ao amin\u2019ilay firenena, Jehovah\u00a0\u00f4. Nataonao lasa be dia be tokoa ny mponina\u00a0ao. Nomenao voninahitra ny tenanao, Ary nitarinao be ny sisin\u2019ilay tany manontolo.",
        "16": "Jehovah\u00a0\u00f4, nitodika tany aminao izy ireo tao anatin\u2019ny fahoriany. Namboraka ny tao am-pony izy ireo rehefa nibitsibitsika nivavaka, tamin\u2019izy nofaizinao.",
        "17": "Toy ny vehivavy bevohoka efa ho teraka, Ka mihetsi-jaza sady mitaraina fa manaintaina, Dia hoatr\u2019izany izahay noho ny aminao, Jehovah\u00a0\u00f4!",
        "18": "Bevohoka izahay, ary nihetsi-jaza, Kanefa hoatran\u2019ny hoe niteraka rivotra. Tsy nahavonjy an\u2019ilay tany izahay, Ary tsy nisy zaza teraka mba hipetraka ao amin\u2019ilay tany.",
        "19": "\u201cHo velona ny olonao efa maty. Hitsangana ny fatin\u2019ny vahoakako. Mifohaza ka mihobia, Ianareo izay mipetraka ao anaty vovoka! Fa ny andonao dia ho toy ny andon\u2019ny maraina, Ary havelan\u2019ny tany ho velona indray ny maty tsy mahavita na inona na inona.",
        "20": "Mandehana miditra ao amin\u2019ny efitranonareo anatiny, ry\u00a0vahoakako, Dia hidio ny varavarana. Miafena kely vetivety, Mandra-pahalasan\u2019ny fahatezerana.",
        "21": "Fa mivoaka avy any amin\u2019ny toerany i Jehovah, Mba hanao ampamoaka ny mponina ao amin\u2019ilay tany, noho ny fahadisoana nataon\u2019izy ireo. Dia hasehon\u2019ilay tany ny ra nalatsak\u2019ilay tan\u00e0na, Ary tsy hafeniny intsony ireo novonoina tao.\u201d"
    },
    "27": {
        "1": "Amin\u2019izany andro izany, dia hampiasain\u2019i Jehovah ny sabany maranitra sy lehibe ary mafy, Ka hofaiziny ny Leviatana, ilay bibilava mitsoriaka. Hofaiziny ny Leviatana, ilay bibilava miolanolana, Ary hovonoiny ilay biby ngezabe any an-dranomasina.",
        "2": "Amin\u2019izany andro izany, dia mihir\u00e0 ho azy, hoe: \u201cTanimboaloboka mamokatra divay mandroatra!",
        "3": "Izaho, Jehovah, no miaro azy. Hanondraka azy amin\u2019ny fotoana rehetra aho. Dia harovako andro aman\u2019alina izy, Mba tsy hisy hanimba.",
        "4": "Tsy tezitra intsony aho. Raha misy fahavalo misakana ny lalako amin\u2019ny tsilo sy ahidratsy, Dia hohitsakitsahiko ireny, ary hataoko indray mandoro.",
        "5": "Raha tsy izany, dia tokony hifikitra amin\u2019ilay fiarovana mafy omeko izy. Tokony hitady fihavanana amiko izy, Ary hitady ahy mba hihavana izahay.\u201d",
        "6": "Amin\u2019ny andro ho\u00a0avy, dia hisy fakany i Jakoba, Ary hamony sy hitsimoka i\u00a0Israely. Dia hofenoin\u2019izy ireo vokatra ilay tany.",
        "7": "Tsy maintsy hokapohina hoatran\u2019ny ikapohan\u2019ilay mikapoka azy ve izy? Sa izy tsy maintsy hovonoina hoatran\u2019ny nandripahana an\u2019ireo novonoina teo aminy?",
        "8": "Hiady aminy ianao sady hanao kiakiaka mampahatahotra rehefa mandroaka azy. Horoahinao amin\u2019ny rivotra mifofofofo mafy avy aminao izy, amin\u2019ny andro isian\u2019ny rivotra avy any atsinanana.",
        "9": "Hoatr\u2019izao \u00e0ry no handrakofana ny fahadisoan\u2019i Jakoba, Ary izao no ho vokany rehefa esorina ny fahotany: Hataony toy ny vatosokay nopotipotehina Ny vato rehetra eo amin\u2019ny alitara, Ary tsy hisy tsato-kazo masina na fandoroana emboka manitra ho tavela intsony.",
        "10": "Fa hiala ao amin\u2019ilay tan\u00e0na voaro\u00a0mafy ny mponina rehetra\u00a0ao, Ary ho hadino sy hilaozana toy ny tany efitra ny kijana. Any ny zanak\u2019omby no hiraoka ahitra sy hatory, Ary hihinana sampan-kazo.",
        "11": "Rehefa maina ireo rantsany kely, Dia ho tonga hanapaka an\u2019ireny ny vehivavy Mba hataony kitay. Fa tsy misaina ity vahoaka ity, Ka tsy hamindra fo aminy ny Mpanao azy, Ary tsy hiantra azy ny Mpamolavola azy.",
        "12": "Amin\u2019izany andro izany, dia hahintsan\u2019i Jehovah ny voankazo, hatrany amin\u2019ny rano mikoriana avy any amin\u2019ny Renirano ka hatrany amin\u2019ny Reniranon\u2019i Ejipta. Dia hangonina tsirairay ianareo, ry\u00a0vahoakan\u2019Israely.",
        "13": "Ary hisy anjombona lehibe hotsofina, amin\u2019izany andro izany. Dia ho tonga izay efa ho faty any Asyria sy izay miparitaka any Ejipta, ka hiankohoka eo anatrehan\u2019i Jehovah eo amin\u2019ny tendrombohitra masina any Jerosalema."
    },
    "28": {
        "1": "Hahita loza ilay satroboninahitra mirenty anaovan\u2019ireo mamo lava ao Efraima! Hahita loza koa ilay voninkazo tsara tarehy mihamalazo, Eo amin\u2019ny lohan\u2019ilay lohasaha lonaka, izay misy an\u2019ireo mamon-divay ireo!",
        "2": "Manana olona matanjaka sy mahery i Jehovah. Hoatran\u2019ny oram-be misy kotroka sy havandra izy, toy ny tafio-drivotra mandravarava, Hoatran\u2019ny oram-baratra mahatonga tondra-drano, Ka hanipy mafy an\u2019ilay satroboninahitra eny ambonin\u2019ny tany.",
        "3": "Hohitsakitsahina ireo satroboninahitra mirenty, Izay anaovan\u2019ireo mamo lava ao Efraima.",
        "4": "Ary ilay voninkazo tsara tarehy\u00a0be nefa mihamalazo, Eo an-tampon\u2019ilay lohasaha lonaka, Dia ho toy ny aviavy vokatra voalohany, izay masaka alohan\u2019ny fahavaratra. Rehefa hitan\u2019ny olona ilay izy dia hotangosany, ary tonga\u00a0dia hohaniny.",
        "5": "Amin\u2019izany andro izany, dia ho toy ny satroboninahitra miavaka sy fehiloha tsara\u00a0tarehy ho an\u2019izay sisa tavela amin\u2019ny vahoakany i Jehovah Tompon\u2019ny tafika.",
        "6": "Hampirisika ny mpitsara mba hitsara ara-drariny izy. Hanome hery an\u2019ireo manohitra ny fahavalo eo am-bavahady koa izy.",
        "7": "Diso lalana izy ireny noho ny divay, Ary lasa mivembena noho ny toaka. Diso lalana ny mpisorona sy ny mpaminany noho ny toaka, Ary tsy misaina tsara izy ireo noho ny divay, Sady mivembena noho ny toaka. Diso lalana izy ireo noho ny fahitana hitany, Ka tsy mahay manapa-kevitra tsara intsony.",
        "8": "Fa feno loa maharikoriko ny latabatr\u2019izy ireo, Ka tsy misy faritra madio intsony.",
        "9": "Fa iza no tadiaviny hizarana fahalalana? Ary iza no hanazavany an\u2019ilay hafatra? Zaza vao nosarahi-nono\u00a0ve, Dia zaza vao nesorina teny amin\u2019ny nonon-dreniny?",
        "10": "Fa izany dia \u201cdidy miampy didy, didy miampy didy, Fitsipika miampy fitsipika, fitsipika miampy fitsipika. Kely itsy, kely ir\u1ef3.\u201d",
        "11": "Hiteny amin\u2019ity vahoaka ity \u00e0ry izy amin\u2019ny alalan\u2019ny olona miakanakam-piteny sy miteny amin\u2019ny fiteny hafa.",
        "12": "Niteny tamin\u2019izy ireo izy taloha hoe: \u201cIty no toerana fialana sasatra, ka avelao hiala sasatra izay reraka. Ity no toerana fakana aina.\u201d Tsy nety nihaino anefa izy ireo.",
        "13": "Izao \u00e0ry no holazain\u2019i Jehovah aminy: \u201cDidy miampy didy, didy miampy didy, Fitsipika miampy fitsipika, fitsipika miampy fitsipika. Kely itsy, kely ir\u1ef3.\u201d Rehefa mandeha \u00e0ry izy ireo, Dia ho tafintohina ka hidaboka any aoriana, Ary ho tapatapaka sy ho voafandrika ary ho voasambotra.",
        "14": "Henoy \u00e0ry ny tenin\u2019i Jehovah, ry\u00a0mpirehareha Sy mpitondra an\u2019ity vahoaka ity, eto Jerosalema.",
        "15": "Nilaza mantsy ianareo hoe: \u201cEfa nanao fifanekena tamin-dRafahafatesana izahay, Ary efa nifanaraka tamin\u2019ny Fasana. Rehefa mandalo ny ranotrambo mahery\u00a0be, Dia tsy hahavoa anay izany. Mialoka amin\u2019ny lainga mantsy izahay, Sady miafina ao amin\u2019ny fitaka.\u201d",
        "16": "Izao \u00e0ry no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u201cMametraka vato fototra ao Ziona aho, dia vato efa voasedra. Io no vato fehizoro sarobidy izay fototra azo antoka. Tsy hatahotra izay rehetra maneho finoana azy io.",
        "17": "Ny rariny no hataoko tady fandrefesana, Ary ny fahamarinana no hataoko fitaovana hijerena an\u2019izay tsy mitovy tantana. Hopaohin\u2019ny havandra ny lainga fialofana, Ary ho difotry ny rano ny toerana fiafenana.",
        "18": "Ho foana ny fifanekena nifanaovanareo tamin-dRafahafatesana, Ary tsy haharitra ilay fifanarahana nataonareo tamin\u2019ny Fasana. Rehefa mandalo ny ranotrambo mahery\u00a0be, Dia ho torotoro ianareo.",
        "19": "Hifaoka anareo izy\u00a0io, Isaky ny mandalo. Handalo isa-maraina mantsy izy\u00a0io, Mandritra ny andro sy mandritra ny alina. Raha tsy mihorohoro izy ireo tsy mahazo ny dikan\u2019ny zavatra henony.",
        "20": "Fa fohy loatra ny fandriana ka tsy ampy hitsorana, Ary kely loatra ny lamba notenomina ka tsy ampy hirakofana.",
        "21": "Fa hitsangana hoatran\u2019ny teo amin\u2019ny Tendrombohitra Perazima i Jehovah, Ary hihetsika toy ny teo amin\u2019ny lohasaha eo akaikin\u2019i Gibeona, Mba hanao zavatra, dia zavatra hafahafa, Ary mba hanatanteraka ny asany, dia ilay asany tsy mahazatra.",
        "22": "Aza manesoeso \u00e0ry, Sao hogejaina mafy kokoa ny tady mamatotra anareo. Henoko tamin\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, ilay Tompo Fara Tampony, mantsy\u00a0hoe Efa nanapa-kevitra handripaka ny tany manontolo izy.",
        "23": "Aoka ianao hanongilan-tsofina, dia henoy ny teniko. Mihainoa tsara, dia henoy izay lazaiko.",
        "24": "Miasa tany tontolo andro ve ny mpiasa tany vao mamafy voa? Sa izy mamaky sy manapotika bainga tsy an-kijanona?",
        "25": "Tsy mandravona ny tany ve izy aloha, Izay vao manaparitaka ny komina\u00a0mainty sy mamafy ny komina? Tsy samy amboleny eny amin\u2019ny toerana voatokana ho azy ve ny varimbazaha sy ny ampemby ary ny vary\u00a0orza, Ary ny vary spelta eny amin\u2019ny sisin\u2019ny tanimboly?",
        "26": "Mampianatra azy araka ny tokony ho izy mantsy Izy. Mampianatra azy ny Andriamaniny.",
        "27": "Fa tsy fitaovana fanosihosena varimbazaha no anosihosena ny komina\u00a0mainty, Ary tsy ampandehanina eo ambonin\u2019ny komina ny kodiaran-tsarety. Tsorakazo kosa no fivelezana ny komina mainty, Ary tehina no fivelezana ny komina.",
        "28": "Misy olona mitoto vary eny am-pamoloana ve mba hatao lafarinina hanaovana mofo? Tsy misy. Tsy hosihoseny tsy an-kijanona ilay izy, Ary tsy torotoroiny koa, Rehefa ampandehaniny eo amboniny ny kodiaran-tsaretiny sy ny soavaliny.",
        "29": "Izany koa dia avy amin\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika. Tena tsara ny toroheviny, Ary vitany tsara foana ny zavatra ataony."
    },
    "29": {
        "1": "\u201cHahita loza i Ariela, dia i Ariela, ilay tan\u00e0na nitobian\u2019i Davida! Tohizo isan-taona ny fetinareo, Dia ankalazao foana.",
        "2": "Fa hataoko mijaly i Ariela Ka hisaona sy hitomany. Dia ho toy ny fitoeran\u2019afo eo amin\u2019ny alitaran\u2019Andriamanitra izy amiko.",
        "3": "Hitoby manodidina anao aho ka hanafika anao. Hataoko fahirano ianao ka hasiako fefy hazo manodidina anao. Dia hofefeko ny manodidina anao mba hanaovana fahirano anao.",
        "4": "Haetry ianao, Dia avy ao anaty tany ianao no hiteny, Ary ho tototry ny vovoka ianao ka ho zara raha heno izay teneninao. Hivoaka avy ao anaty tany ny feonao, Hoatran\u2019ny feon\u2019ny mpamoha angatra. Ho toy ny bitsibitsika avy ao anaty vovoka ny teninao.",
        "5": "Ho lasa hoatran\u2019ny vovoka manify ny fahavalonao be dia\u00a0be, Ary ho toy ny akofa manidina ny mpitondra jadona maro\u00a0be. Hitranga tampoka ao anatin\u2019ny indray mipy maso izany.",
        "6": "Hamonjy anao i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, Ka hisy kotroka sy horohoron-tany ary feo mipoaka mafy rehefa manao an\u2019izany izy, Sady hisy tafio-drivotra sy oram-baratra ary lelafo mandevona.\u201d",
        "7": "Ho toy ny nofy sy fahitana amin\u2019ny alina, Ilay vahoakan\u2019ny firenena rehetra miady amin\u2019i Ariela, Dia izay rehetra miady aminy, Sy ny tilikambo fanaovana fahirano hamelezana azy, Ary izay mampijaly azy.",
        "8": "Izany dia hoatran\u2019ny olona noana manonofy hoe mihinan-kanina, Kanjo rehefa mifoha izy dia mbola noana ihany, Ary toy ny olona mangetaheta manonofy hoe misotro, Kanjo rehefa mifoha izy dia mbola reraka sy mangetaheta ihany! Dia izany no hanjo ny vahoakan\u2019ny firenena rehetra, Izay miady amin\u2019ny Tendrombohitra Ziona.",
        "9": "Tsy maintsy ho gaga ianareo ka ho gina tsy mahateny. Ho jamba ianareo ka tsy hahita. Mamo izy ireo nefa tsy noho ny divay, Ary mivembena nefa tsy noho ny toaka.",
        "10": "Fa efa nataon\u2019i Jehovah renoky ny torimaso lalina ianareo. Dia akimpiny ny masonareo, izany hoe ny mpaminany, Ary saronany ny lohanareo, izany hoe ny mpahita fahitana.",
        "11": "Aminareo dia lasa hoatran\u2019ny teny ao anaty boky misy tombo-kase ny fahitana rehetra. Rehefa omena olona mahay mamaky teny ilay boky, ka tenenina ilay olona hoe: \u201cVakio mafy ity, azafady\u201d, dia hoy izy: \u201cTsy afaka mamaky an\u2019ity aho, fa misy tombo-kase ilay izy.\u201d",
        "12": "Rehefa omena olona tsy mahay mamaky teny indray ilay boky, ka tenenina ilay olona hoe: \u201cVakio ity, azafady\u201d, dia hoy izy: \u201cTsy mahay mamaky teny mihitsy aho.\u201d",
        "13": "Hoy i Jehovah: \u201cMilaza fa manatona ahy ity vahoaka ity, nefa resaka fotsiny izany. Ary an-tendro-molotra fotsiny no anajan\u2019izy ireo ahy, Fa ny fony kosa lavitra ahy. Matahotra ahy izy ireo, nefa noho ny didin\u2019olombelona nampianarina azy fotsiny izany.",
        "14": "Noho izany, dia hanao zava-mahagaga amin\u2019ity vahoaka ity indray aho, Dia zava-mahagaga be dia\u00a0be. Dia ho foana ny fahendren\u2019ny olon-kendriny, Ary tsy hahazo hevitra intsony ny olona malina eo aminy.\u201d",
        "15": "Hahita loza izay miezaka manafina amin\u2019i Jehovah ny tetika ataony. Tanterahiny ao amin\u2019ny maizimaizina ilay izy, Sady hoy izy: \u201cIza koa no mahita antsika\u00a0eo? Iza no mahalala an\u2019izay ataontsika?\u201d",
        "16": "Efa mivaona mihitsy ny fisainanareo! Ny mpanefy tanimanga ve dia azo ampitovina amin\u2019ny tanimanga? Izay namboarina ve dia hilaza momba ny mpanamboatra azy hoe: \u201cTsy nanamboatra ahy izy\u201d? Ary izay noforonina ve dia hilaza momba ny mpamorona azy hoe: \u201cTsy fantany izay ataony\u201d?",
        "17": "Kely sisa dia hovana ho saham-boankazo i Lib\u00e0na, Ary hoheverina hoe ala ny saham-boankazo.",
        "18": "Amin\u2019izany andro izany, dia haheno ny teny ao anatin\u2019ilay boky ny marenina, Ary hahita ao amin\u2019ny maizina sy ny haizim-pito ny mason\u2019ny jamba.",
        "19": "Dia ho faly be ny mpandefitra, noho ny amin\u2019i Jehovah, Ary ho ravoravo ny mahantra, noho ny amin\u2019Ilay Masin\u2019ny Israely.",
        "20": "Fa tsy hisy intsony ny mpitondra jadona, Ary ho faty ny mpirehareha. Haripaka izay rehetra te hanisy ratsy olona foana,",
        "21": "Dia ireo mandainga mba hahatonga ny olona ho meloka, Sady mamandrika an\u2019izay miaro ny tenany eo amin\u2019ny vavahadin\u2019ny tan\u00e0na, Ary manendrikendrika ny olo-marina mba tsy hanomezana rariny azy.",
        "22": "Miteny an\u2019izao amin\u2019ny taranak\u2019i Jakoba \u00e0ry i Jehovah, izay nanavotra an\u2019i Abrahama: \u201cTsy ho menatra intsony i Jakoba, Ary tsy ho hatsatra intsony ny tarehiny.",
        "23": "Fa rehefa hitany eo aminy ny zanany, Izay asan\u2019ny tanako, Dia hanamasina ny anarako izy ireo. Tena hanamasina an\u2019Ilay Masin\u2019i Jakoba izy ireo, Sady hatahotra sy hanaja an\u2019ilay Andriamanitr\u2019i Israely.",
        "24": "Ho lasa mahira-tsaina izay tsy misaina\u00a0tsara, Ary hanaiky torohevitra izay mimenomenona.\u201d"
    },
    "30": {
        "1": "\u201cHahita loza ireo zanaka mafy\u00a0loha\u201d, hoy i Jehovah, \u201cDia izay manatanteraka izay kasainy hatao, fa tsy izay kasaiko hatao, Sy manao fifanekena, nefa tsy notarihin\u2019ny fanahiko, Ka vao mainka mitombo ny fahotany.",
        "2": "Mandeha midina any Ejipta izy ireo nefa tsy manontany ahy akory. Te hitady fiarovana amin\u2019i Farao, Sy hialokaloka amin\u2019i Ejipta izy ireo.",
        "3": "Lasa hahamenatra anareo anefa ny fiarovan\u2019i Farao, Ary hanala baraka anareo ny mialokaloka amin\u2019i Ejipta.",
        "4": "Fa any Zoana ny andrianany, Ary tonga hatrany Hanesa ny olona nirahiny.",
        "5": "Ho menatra daholo izy ireo, Noho ny amin\u2019ny firenena iray tsy mitondra soa ho azy, Izay sady tsy afaka manampy no tsy mitondra soa, Fa mahamenatra sy manala baraka fotsiny.\u201d",
        "6": "Ny fanamelohana an\u2019ireo biby any atsimo: Mandeha mamakivaky ny tany misy fijaliana sy zava-tsarotra izy ireo, Dia tany misy liona, eny, liona mierona, Sy bibilava misy poizina, ary bibilava misidina. Eny an-damosin\u2019ny ampondra no itondrany ny harenany, Ary eny amin\u2019ny trafon\u2019ny rameva no itondrany ny vatsiny. Tsy hitondra soa ho an\u2019ny olona anefa ireny zavatra ireny.",
        "7": "Fa tsy misy ilana azy mihitsy ny fanampian\u2019i Ejipta. Izany no iantsoako azy hoe: \u201cRahaba, ilay mipetra-potsiny.\u201d",
        "8": "\u201cMandehana \u00e0ry, soraty eo amin\u2019ny takela-kazo eo anatrehany izany, Ary soraty ao amin\u2019ny boky, Mba ho azo atao vavolombelona eny foana, Amin\u2019ny andro ho avy.",
        "9": "Fa vahoaka mpikomy izy ireo, ary zanaka mpamitaka, Dia zanaka tsy vonona hihaino ny lal\u00e0n\u2019i Jehovah.",
        "10": "Hoy izy ireo amin\u2019ny mpahita: \u2018Aza mijery\u2019, Ary amin\u2019ny mpahita fahitana hoe: \u2018Aza milaza fahitana marina aminay. Fa teny fandokafana no lazao aminay, ary zavatra mamitaka no jereo ao amin\u2019ny fahitana.",
        "11": "Mivilia lalana! Mial\u00e0 amin\u2019ny lalanareo. Aza miresaka aminay momba an\u2019Ilay Masin\u2019ny Israely intsony.\u2019\u201d",
        "12": "Izao \u00e0ry no tenin\u2019Ilay Masin\u2019ny Israely: \u201cTsy manaiky ny teniko ianareo, Fa lainga sy fitaka no itokisanareo, Sady ianteheranareo.",
        "13": "Ho toy ny manda mitresaka \u00e0ry izany fahadisoanareo izany, Ary hoatran\u2019ny manda avo\u00a0be efa mibontsina ka mitady hianjera. Hirodana tampoka ao anatin\u2019ny indray mipy maso ilay manda.",
        "14": "Hovakivakina toy ny siniben\u2019ny mpanefy tanimanga izany, Dia ho potika tanteraka ka tsy hisy potiny ho tavela Mba hakana afo avy ao am-patana, Na hanovozana rano eny amin\u2019ny ranom-potaka kely.\u201d",
        "15": "Fa izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony, Ilay Masin\u2019ny Israely: \u201cHo voavonjy ianareo raha miverina amiko sy miezaka ho tony. Hatanjaka ianareo raha tony foana sy feno toky.\u201d Tsy nety anefa ianareo,",
        "16": "Fa niteny hoe: \u201cHitaingin-tsoavaly izahay dia handositra!\u201d Dia handositra tokoa ianareo. \u201cSoavaly mahery mandeha no hitaingenanay!\u201d Dia handeha haingana\u00a0be koa ny olona manenjika anareo.",
        "17": "Olona iray fotsiny no mandrahona, dia hangovitra ny arivo. Olona dimy fotsiny no mandrahona, dia handositra ianareo, Ka izay sisa tavela aminareo dia ho toy ny andry tokana eny an-tampon-tendrombohitra, Sy ho toy ny tsato-kazo famantarana iray eny amin\u2019ny havoana.",
        "18": "Mbola maharitra miandry foana anefa i Jehovah, satria te\u00a0hiantra anareo, Ary hitsangana izy satria te hamindra\u00a0fo aminareo. Andriamanitry ny rariny mantsy i Jehovah, Ka sambatra izay rehetra manantena azy.",
        "19": "Rehefa mipetraka ao Ziona, ao Jerosalema, ny olona, dia tsy hitomany intsony ianao. Hiantra anao tokoa Izy rehefa maheno anao miantso vonjy. Hamaly anao Izy raha vao maheno an\u2019izany.",
        "20": "Fahoriana no mofo homen\u2019i Jehovah anareo, ary fampijaliana no rano homeny anareo. Na izany aza, dia tsy hiafina intsony ilay Mpampianatra Be\u00a0Voninahitra izay mampianatra anao, ka ny masonao mihitsy no hahita an\u2019ilay Mpampianatra Be\u00a0Voninahitra.",
        "21": "Ary raha mivily miankavanana ianao na mivily miankavia, dia ny sofinao mihitsy no haheno teny avy ao aoriananao hoe: \u201cIty no lalana ka andehano.\u201d",
        "22": "Holotoinareo ny takela-bolafotsy amin\u2019ny sary sokitrareo, sy ny takela-bolamena amin\u2019ny sarivongana metaly ivavahanareo. Dia harianareo ireny, hoatran\u2019ny lamba nampiasain\u2019ny vehivavy tonga fotoana, ka hiteny ianareo hoe: \u201cAleo itony hariana any!\u201d",
        "23": "Hanome ranonorana ho an\u2019ny voa afafinao amin\u2019ny tany Izy, ary sakafo tsara sy be dia\u00a0be no ho vokatry ny tany. Hiraoka ahitra eny amin\u2019ny kijana malalaka\u00a0be ny biby fiompinao, amin\u2019izany andro izany.",
        "24": "Ny omby sy ny ampondra izay miasa tany kosa hihinana vilona nafangaro kidiadiamborona, izay niara-nokororohina tamin\u2019ny lapelina sy ny fitrebika.",
        "25": "Hisy rano mikoriana sy renirano eny amin\u2019ny tendrombohitra avo rehetra sy ny havoana rehetra, amin\u2019ilay andro handripahana olona be dia be, rehefa mianjera ny tilikambo.",
        "26": "Ho toy ny hazavan\u2019ny masoandro ny hazavan\u2019ny volana fenomanana. Ary ho avo fito\u00a0heny ny hazavan\u2019ny masoandro, hoatran\u2019ny hazavana fito\u00a0andro, rehefa fonosin\u2019i Jehovah ny ratran\u2019ny vahoakany, ary sitraniny ny fery lalina vokatry ny kapoka nataony taminy.",
        "27": "Tonga avy any lavitra ny anaran\u2019i Jehovah. Tezitra be izy ary misy rahona matevina miaraka aminy. Feno hatezerana ny molony, Ary hoatran\u2019ny afo mandoro ny lelany.",
        "28": "Toy ny riaka be tafakatra hatreny amin\u2019ny hatoka ny fanahiny, Mba hanozongozona an\u2019ireo firenena ao anaty sivana, ka ho ringana daholo izy ireo. Ary hasiana lamboridy ny valanoranon\u2019ny vahoaka ka ho diso\u00a0lalana izy ireo.",
        "29": "Hanao hira kosa ianareo, hoatran\u2019ny hira fanaonareo amin\u2019ny alina, Rehefa miomana hanao fety. Ho falifaly ny fonareo, Ka amin\u2019izay ianareo dia ho toy ny olona mitsoka sodina eny am-pandehanana Mankany an-tendrombohitr\u2019i Jehovah, ho any amin\u2019ilay Vatolampin\u2019ny Israely.",
        "30": "Hataon\u2019i Jehovah heno ny feony matanjaka be, Ary hasehony ny sandriny ka hakapony mafy ny tanany rehefa tezitra\u00a0be izy. Hisy afo mandevona rehefa manao an\u2019izany izy, Sady hisy oram-be mivatravatra sy oram-baratra ary havandra.",
        "31": "Fa hihorohoro i Asyria noho ny feon\u2019i Jehovah. Hamely azy amin\u2019ny tehina mantsy Izy.",
        "32": "Isaky ny mikapoka amin\u2019ny tehiny i Jehovah Mba hanafaizana an\u2019i Asyria, Dia hampiarahina amin\u2019ny feon\u2019ampongatapaka sy harpa izany. Hanambana azy ireo amin\u2019ny tanany Izy amin\u2019izay, ka hiady aminy.",
        "33": "Fa efa vonona ny Tofeta natao ho an\u2019i Asyria. Efa nomanina ho an\u2019ny mpanjaka koa izy\u00a0io. Nataony mivangongo ao anaty lavaka lehibe sady lalina ny kitay, Ary nataony miredareda ny afo, sady be dia be ny kitay. Handrehitra azy io ny fofonain\u2019i Jehovah, Izay hoatran\u2019ny solifara mitosaka\u00a0be."
    },
    "31": {
        "1": "Hahita loza izay mandeha midina any Ejipta mba hitady fanampiana, Sy izay miantehitra amin\u2019ny soavaly, Sy izay mitoky amin\u2019ny kalesy fitondra miady satria hoe be dia\u00a0be ireny, Ary mitoky amin\u2019ny soavaly fitondra miady satria hoe tena\u00a0mahery ireny. Tsy mba mitodika any amin\u2019Ilay Masin\u2019ny Israely izy\u00a0ireo, Sady tsy mitady an\u2019i Jehovah.",
        "2": "Hendry koa anefa Izy ka handefa loza, Ary tsy hanatsoaka ny teniny. Fa hitsangana Izy ka hamely ny ankohonan\u2019ny ratsy fanahy, Sy izay manampy ny mpanao ratsy.",
        "3": "Olombelona ihany ny Ejipsianina, fa tsy Andriamanitra. Nofo ihany ny soavaliny, fa tsy fanahy. Rehefa manatsotra ny tanany i Jehovah, Dia ho tafintohina izay manampy, Ary hianjera izay ampiana. Dia hiaraka ho faty daholo izy rehetra.",
        "4": "Izao mantsy no nolazain\u2019i Jehovah tamiko: \u201cMierona ny liona, dia ny liona tanora matanjaka, mba hiarovana ny remby azony. Na dia mpiandry ondry be dia be aza no antsoina mba hampandositra azy, Dia tsy hatahotra izy na dia miantsoantso aza ireo, Ary tsy hihontsina izy na dia mihorakoraka aza ireo. Dia ho toy izany koa i Jehovah Tompon\u2019ny tafika, Rehefa midina hiady izy mba hiarovana ny Tendrombohitra Ziona sy ny havoanany.",
        "5": "Misidina mafy hiaro ny zanany ny vorona. Dia ho toy izany koa no hiarovan\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika an\u2019i Jerosalema. Hiaro azy izy sady hamonjy azy. Hitsimbina ny ainy izy sady hanavotra azy.\u201d",
        "6": "\u201cMiverena amin\u2019Ilay nikomianareo, ry\u00a0vahoakan\u2019Israely\u00a0\u00f4!",
        "7": "Fa samy hanary ny andriamaniny volafotsy tsy misy dikany ny olona, amin\u2019izany andro izany, ary samy hanary ny andriamaniny volamena tsy misy fotony. Ny tananareo ihany no nanao an\u2019ireny, ary fahotana izany.",
        "8": "Ho fatin\u2019ny sabatra ny Asyrianina, nefa tsy sabatr\u2019olona izany. Tsy sabatr\u2019olombelona no handripaka azy. Handositra noho ny sabatra izy, Ary hampanaovina asa an-terivozona ny tovolahy ao aminy.",
        "9": "Hanjavona ny vatolampiny satria matahotra\u00a0be, Ary hihorohoro ny andrianany noho ilay tsato-kazo famantarana\u201d, hoy i Jehovah. Ao Ziona ny hazavany ary ao Jerosalema ny lafaorony."
    },
    "32": {
        "1": "Hisy mpanjaka hitondra mba hampanjaka ny fahamarinana, Ary hisy andriana hitondra mba hampanjaka ny rariny.",
        "2": "Samy ho toy ny toerana fiafenana amin\u2019ny rivotra izy ireo, Sy fialofana amin\u2019ny oram-baratra, Sady ho toy ny rano mikoriana any amin\u2019ny tany karakaina, Ary ho toy ny aloky ny vatolampy lehibe any amin\u2019ny tany ngazana.",
        "3": "Dia tsy hisy hanakimpy intsony ny mason\u2019izay mahita, Ary hihaino tsara ny sofin\u2019izay mandre.",
        "4": "Handinika fahalalana ny fon\u2019izay taitaitra, Ary hahay hiteny misosa sy mazava tsara ny lelan\u2019izay miakanakam-piteny.",
        "5": "Tsy hatao hoe malala-tanana intsony ny olona tsy misy saina, Ary tsy hantsoina hoe olona ambony ny olona maty\u00a0eritreritra.",
        "6": "Fa hiteniteny foana ny olona tsy misy saina, Ary hamorona teti-dratsy ao am-pony izy. Te hampirisika ny olona hivadika amin\u2019Andriamanitra mantsy izy, sady te hilaza lainga momba an\u2019i Jehovah. Tiany halefa mody\u00a0maina koa ny noana, Ary tsy tiany hahazo zavatra hosotroina ny mangetaheta.",
        "7": "Ratsy ny fanaon\u2019ny olona maty eritreritra. Mampirisika ny olona hanana fitondran-tena manala baraka mantsy izy, Ka mampiasa lainga, mba ho voa mafy izay mijaly, Na dia efa milaza ny marina aza ny mahantra.",
        "8": "Ny olona malala-tanana kosa dia ny halala-tanana foana no masaka ao an-tsainy. Tia manome izy ary miezaka manao an\u2019izany foana.",
        "9": "\u201cMitsang\u00e0na ianareo vehivavy tsy mivaky loha, ka henoy ny teniko! Mihainoa tsara an\u2019izay lazaiko ianareo zanakavavy tsy miasa saina!",
        "10": "Hangovitra be ianareo izay tsy miasa saina, rehefa afaka herintaona mahery kely, Satria tsy hisy voaloboka voangona, na dia rehefa tapitra aza ny fotoam-piotazana voaloboka.",
        "11": "Mangovita ianareo vehivavy tsy mivaky loha! Mangovita koa ianareo tsy miasa saina! Esory daholo ny akanjonareo, Dia misik\u00ecna lamba gony.",
        "12": "Kapohy ny tratranareo dia mitomania, Noho ny amin\u2019ireo saha nahafinaritra sy ny voaloboka nahavokatra.",
        "13": "Ho rakotra tsilo sy kirihitra misy tsilo mantsy ny tanin\u2019ny vahoakako, Ka ho rakotra an\u2019ireny daholo ny trano feno fifaliana fahiny, Dia ilay tan\u00e0na nisy haravoana be.",
        "14": "Fa nafoy ny tilikambo voaro mafy, Ary nilaozana ilay tan\u00e0na naresaka\u00a0be. Lasa ngazana tanteraka i\u00a0Ofela sy ny tilikambo fiambenana, Ka lasa toerana ifalifalian\u2019ny ampondradia, Sady lasa kijana ho an\u2019ny andian\u2019ondry.",
        "15": "Tsy hiova mihitsy izany raha tsy rehefa milatsaka amintsika ny fanahy, Sady lasa saham-boankazo ny tany efitra, Ary heverina hoe ala ny saham-boankazo.",
        "16": "Dia hanjaka any an-tany efitra ny rariny, Ary hanjaka ao amin\u2019ilay saham-boankazo ny fahamarinana.",
        "17": "Hiadana izay manaraka ny tena fahamarinana, Ary hilamina foana sady tsy hanana ahiahy mihitsy izay manaraka ny tena fahamarinana.",
        "18": "Hipetraka ao amin\u2019ny toerana anjakan\u2019ny fiadanana ny vahoakako, Ao amin\u2019ny toerana tsy misy mampatahotra sady milamina.",
        "19": "Handripaka an\u2019ilay ala anefa ny havandra, Ary ho rava tanteraka ilay tan\u00e0na.",
        "20": "Sambatra ianareo izay mamafy voa eny amoron\u2019ny rano rehetra, Ka mandefa ny omby sy ny ampondra.\u201d"
    },
    "33": {
        "1": "Hahita loza ianao, ry\u00a0ilay mpandrava tsy nisy nandrava, Dia ilay mpamadika tsy nisy namadika! Horavana ianao rehefa avy mandrava, Ary hisy hamadika rehefa avy mamadika.",
        "2": "Iantrao izahay, Jehovah\u00a0\u00f4! Ianao no antenainay. Tohano amin\u2019ny sandrinao izahay isa-maraina, Ary vonjeo amin\u2019ny fotoam-pahoriana.",
        "3": "Mandositra ny olona rehefa mandre tabataba. Miparitaka ireo firenena rehefa mitsangana ianao.",
        "4": "Hatangorona ny zavatra ataonareo babo, hoatran\u2019ny valala mirangorango mitangorona, Ka hirohotra ho eny amin\u2019ireny ny olona, hoatran\u2019ny andiam-balala.",
        "5": "Hasandratra i Jehovah, Satria mipetraka eny amin\u2019ny avo. Hataony manjaka ao Ziona ny rariny sy ny hitsiny.",
        "6": "Izy no mahatonga anao hilamina sy tsy hitebiteby. Betsaka ny zavatra ataony mba hamonjena anao. Omeny fahendrena sy fahalalana ianao, ary ampianariny hatahotra an\u2019i Jehovah. Izany no harenany.",
        "7": "Miantsoantso eny an-dalana ny lehilahy mahery\u00a0fo eo amin\u2019izy ireo, Ary mitomany be ny iraka mitady fihavanana.",
        "8": "Tsy misy olona intsony eny an-dalambe, Ary tsy misy mpandeha intsony eny an-dalana. Nivadika tamin\u2019ny fifanekena ny fahavalo, Sady nanambany an\u2019ireo tan\u00e0na, Ary tsy miraharaha olona.",
        "9": "Misaona sy malazo ilay tany. Menatra i Lib\u00e0na fa simba. Lasa hoatran\u2019ny tany efitra i\u00a0Sar\u00f4na, Ary mihintsan-dravina i Basana sy Karmela.",
        "10": "\u201cHitsangana aho izao\u201d, hoy i Jehovah, \u201cDia hasandratro ny tenako, Ka homeko voninahitra.",
        "11": "Bozaka maina no miforona ao an-kibonareo, ary vodivary no aterakareo. Handevona anareo hoatran\u2019ny afo ny eritreri-dratsinareo.",
        "12": "Ho lasa hoatran\u2019ny lavenona avy amin\u2019ny sokay nodorana ireo firenena. Hoatran\u2019ny tsilo notapahina izy ireo ka hodorana amin\u2019ny afo.",
        "13": "Henoy izay hataoko, ry\u00a0olona any lavitra! Ekeo hoe mahery aho, ry\u00a0olona eto akaiky!",
        "14": "Matahotra be ny mpanota ao Ziona, Ary lasa mangovitra ireo miala amin\u2019Andriamanitra, ka miteny hoe: \u2018Iza amintsika no mahavita mipetraka ao anaty afo mandevona? Iza amintsika koa no mahavita mipetraka ao anaty lelafo tsy mety maty?\u2019",
        "15": "Izay manao ny marina foana, Sy milaza ny marina, Sy tsy tia tombony azo amin\u2019ny fitaka sy ny tsy rariny, Sady tsy mety mandray tsolotra mihitsy, Sy manampina ny sofiny tsy hihaino ny resaky ny olona te handatsa-dra, Ary manakimpy ny masony tsy hahita zava-dratsy,",
        "16": "Dia izy no hipetraka eny amin\u2019ny toerana avo. Ho eny amin\u2019ny vatolampy sarotra aleha ny fialofany. Homena azy koa ny sakafony, Ary tsy ho ritra mihitsy ny tahirin-dranony.\u201d",
        "17": "Hahita mpanjaka be\u00a0voninahitra ny masonao, Sady hahatazana tany eny lavitra eny.",
        "18": "Hotsaroanao ao am-ponao ilay zavatra nampihorohoro anao, hoe: \u201cAiza ilay mpitan-tsoratra? Aiza ilay nandanja ny hetra? Ary aiza ilay nanisa ny tilikambo?\u201d",
        "19": "Tsy hahita an\u2019ilay firenena sahisahy ratsy intsony ianao, Izany hoe firenena mampiasa fiteny sarotra be ka tsy mety azo, Sy miakanakam-piteny ka tsy azonao ny teniny.",
        "20": "Jereo i Ziona, ilay tan\u00e0na fanaovantsika fety! Ho hitan\u2019ny masonao i Jerosalema, izay fonenana milamina, Dia tranolay tsy hafindrafindra. Tsy hotsoahana mihitsy ny fantsika\u00a0be fanenjanan-day eo aminy, Ary tsy hisy hotapahina ny tadiny.",
        "21": "Fa ao i Jehovah, Ilay Manan-kaja, No hiaro antsika hoatran\u2019ny renirano sy ny lakandrano lehibe, Ka tsy hisy andian-tsambon\u2019ny fahavalo handeha eny amin\u2019ireny, Ary tsy hisy sambo lehibe handalo eny.",
        "22": "Fa i Jehovah no Mpitsara antsika, I Jehovah no Mpanao Lal\u00e0na ho antsika. I Jehovah no Mpanjakantsika, Ary izy no hamonjy antsika.",
        "23": "Higoragora ny tady, Ka tsy mahavita mitazona ny andrin-tsambo hijoro tsara, na mahavita mamelatra ny lay. Amin\u2019izay fotoana izay, dia hozaraina ny zavatra be dia be azo babo, Ka na ny malemy tongotra aza haka be dia be amin\u2019izay norobaina.",
        "24": "Ary tsy hisy olona hilaza hoe: \u201cMarary aho.\u201d Ho voavela heloka ny olona mipetraka ao amin\u2019ilay tany."
    },
    "34": {
        "1": "Manat\u00f2na mba hihaino, ry\u00a0firenena! Mihainoa tsara, ry\u00a0vahoaka! Mihainoa, ry tany sy izay rehetra eo aminy, Dia ny tany sy izay rehetra mipetraka\u00a0ao.",
        "2": "Fa tezitra be amin\u2019ny firenena rehetra i Jehovah, Sady misafoaka amin\u2019ny tafik\u2019izy ireo manontolo. Hatokany haringana ireny, Ka haripany.",
        "3": "Hariana ireo novonoina eo amin\u2019izy ireo, Ary hidofaka ny fofon\u2019ny fatiny. Hampitsonika ny tendrombohitra ny rany.",
        "4": "Ho lo daholo ny ao amin\u2019ny tafiky ny lanitra, Ary ny lanitra dia hahorona toy ny horonam-boky. Halazo ny tafik\u2019izy ireo manontolo, Hoatran\u2019ny ravina malazo mihintsana avy amin\u2019ny voaloboka, Ary hoatran\u2019ny voan\u2019aviavy malazo mihintsana.",
        "5": "\u201cHihosin-dra eny amin\u2019ny lanitra ny sabatro. Hidina hampihatra didim-pitsarana amin\u2019i Edoma izy io, Ka hamely ny olona efa natokako haringana.",
        "6": "Manana sabatra i Jehovah, dia ho feno\u00a0ra ilay izy, Sady hihoso-menaka, Ka ho feno ran\u2019ondrilahy sy ran\u2019osy, Ary tavin\u2019ny voan\u2019ondrilahy. Fa manao sorona ao Bozra i\u00a0Jehovah, Ka be dia be no aripany ao Edoma.",
        "7": "Hiara-midina amin\u2019ireny ny ombidia, Ary ny vantotr\u2019ombilahy hiaraka amin\u2019ireo matanjaka. Ho vonton-dra ny tanin\u2019izy ireo, Ary ho vonto menaka ny vovo-taniny.\u201d",
        "8": "Fa manana andro famaliana i\u00a0Jehovah, Dia taona hamaliana ny ratsy natao tamin\u2019i Ziona.",
        "9": "Hovana ho godorao ny reniranony, Hovana ho solifara ny vovoka ao aminy, Ary ho lasa toy ny godorao mirehitra ny taniny.",
        "10": "Tsy hovonoina izany afo izany na andro na alina, Dia hiakatra mandrakizay ny setroka avy aminy. Ho rava hatramin\u2019ny taranaka fara aman-dimby izy, Ka tsy hisy olona handalo eo aminy intsony mandrakizay mandrakizay.",
        "11": "Ho lasa fonenan\u2019ny gisandrano sy ny sokina izy, Ary hipetraka ao ny vorondolo lava sofina sy ny goaika. Horefesin\u2019Andriamanitra amin\u2019ny tady fandrefesana sy ny pilao ilay tany, Mba ho hita hoe tsy misy na inona na inona sady tsy misy ilana azy.",
        "12": "Tsy misy hatao mpanjaka ny olona ambony ao aminy, Ary tsy hisy intsony ny andrianany rehetra.",
        "13": "Hisy tsilo haniry eny amin\u2019ny tilikambony voaro mafy, Ary hisy tsilo sy ahidratsy eny amin\u2019ny toerany voaro mafy. Ho lasa toerana ipetrahan\u2019ny alikadia koa izy, Sady ho vala ho an\u2019ny aotirisy.",
        "14": "Hifankahita amin\u2019ny biby minaonaona ny biby mipetraka any an-tany efitra, Ary hiantso ny namany ny osidia. Hipetrapetraka any ny matoriandro, ka ho afaka hiala sasatra.",
        "15": "Any ny bibilava mitsambikina no hanao ny tranony sy hanatody. Dia hikotrika ny atodiny izy, ka hiaro an\u2019ireny. Hitangorona any koa ny papango, samy miaraka amin\u2019ny vadiny avy.",
        "16": "Manaova fikarohana ao amin\u2019ny bokin\u2019i Jehovah, ka vakio mafy izany. Tsy misy tsy ho eo ireny biby ireny, Ary samy hanana ny vadiny avy. Fa i Jehovah no efa nanome baiko, Ary ny fanahiny no nanangona an\u2019ireny.",
        "17": "Izy no nanao antsapaka an\u2019izay ho anjaran\u2019ireny, Ary ny tanany no nandrefy ny anjara taniny. Ho lasa fonenan\u2019ireny mandrakizay ilay taniny, Ary hipetraka ao ireny hatramin\u2019ny taranaka fara\u00a0aman-dimby."
    },
    "35": {
        "1": "Hifaly ny tany efitra sy ny tany ngazana, Ary hiravoravo ny lemaka karakaina sady ho feno voninkazo.",
        "2": "Hamony tokoa ny lemaka karakaina, Sady ho faly sy hihoby. Homena azy ny voninahitr\u2019i Lib\u00e0na, Sy ny hatsaran-tarehin\u2019i Karmela sy Sar\u00f4na. Ho hitan\u2019ny olona fa be\u00a0voninahitra i Jehovah, ary henin-kaja ilay Andriamanitsika.",
        "3": "Hatanjaho ny tanana malemy, Sy ny lohalika mangozohozo.",
        "4": "Lazao amin\u2019ireo mitebiteby hoe: \u201cMahereza ary aza matahotra! Ho avy hamaly ny fahavalonareo ilay Andriamanitrareo, Ho avy hanasazy Andriamanitra, Ary ho avy hamonjy anareo izy.\u201d",
        "5": "Amin\u2019izany fotoana izany, dia hatao lasa mahita ny mason\u2019ny jamba, Ary hatao mandre ny sofin\u2019ny marenina.",
        "6": "Amin\u2019izany fotoana izany koa, dia hitsambikina hoatran\u2019ny serfa ny malemy tongotra, Ary hihoby ny lelan\u2019ny moana. Fa hisy rano hiboiboika any an-tany efitra, Ary hisy rano mikoriana any amin\u2019ny lemaka karakaina.",
        "7": "Ho lasa farihy anirian\u2019ny bararata ny tany ngazana, Ary ho lasa loharano ny tany karakaina. Hisy ahitra maitso sy bararata ary zozoro ny toerana ipetrahan\u2019ny alikadia, Dia ny toerana fialany sasatra.",
        "8": "Hisy lalambe any, Dia lalana hatao hoe Lalan\u2019ny Fahamasinana. Tsy handeha eny ny olona tsy madio. Fa natokana ho an\u2019izay mahazo mandeha eny ihany izy\u00a0io, Ka tsy hisy olona adala handehandeha eny.",
        "9": "Tsy hisy liona eny, Sady tsy hankeny ny bibidia masiaka. Tsy hisy ho hita eny ireny, Fa izay babo efa navotana ihany no handeha eny.",
        "10": "Hiverina any Ziona ireo navotan\u2019i Jehovah sady hihoby. Hifaly foana izy ireo ka ho toy ny satroboninahitra eny aminy ny fifaliany. Ho falifaly sy ho ravoravo foana izy ireo, Fa tsy halahelo na hisento intsony."
    },
    "36": {
        "1": "Tamin\u2019ny taona faha-14 nanjakan\u2019i Hezekia Mpanjaka, dia niakatra hanafika an\u2019ireo tan\u00e0na rehetra voaro mafy tany Joda i Sankeriba mpanjakan\u2019i Asyria, ka resiny ireny.",
        "2": "Ary nirahin\u2019ny mpanjakan\u2019i Asyria avy tao Lakisy ny Rabsake sy ny miaramila be dia\u00a0be, mba ho any amin\u2019i Hezekia Mpanjaka any Jerosalema. Dia nijanona teo akaikin\u2019ny lakandrano avy ao amin\u2019ny dobo ambony izy ireo, teo amin\u2019ilay lalambe mankany amin\u2019ny sahan\u2019ny mpanasa lamba.",
        "3": "Ary nivoaka nankeo amin\u2019ilay Rabsake i Eliakima zanak\u2019i Hilkia, izay niandraikitra ny ankohonan\u2019ny mpanjaka, sy Sebna mpitan-tsoratra, ary Joa zanak\u2019i Asafa, mpanoratra ny raharaham-panjakana.",
        "4": "Dia hoy ilay Rabsake tamin\u2019izy ireo: \u201cMba lazao amin\u2019i Hezekia hoe: \u2018Izao no tenin\u2019ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan\u2019i Asyria: \u201cFa inona koa izany mba atokisanao izany?",
        "5": "Milaza ianao hoe: \u2018Izaho manana tetika sy hery hoentina miady.\u2019 Resa-be fotsiny anefa izany! Fa matoky an\u2019iza ianao no sahy mikomy amiko?",
        "6": "I Ejipta no mba atokisanao hoe hanampy anao. Bararata folaka anefa izy, ka ho voatsindrona ny tanan\u2019izay mitehina aminy dia ho loaka. Hoatr\u2019izany mihitsy i Farao mpanjakan\u2019i Ejipta amin\u2019izay rehetra matoky azy.",
        "7": "Raha hilaza ianao hoe: \u2018Izahay matoky an\u2019i Jehovah Andriamanitray\u2019, fa angaha moa tsy izy no tompon\u2019ireo toerana avo sy alitara nesorinao, ry\u00a0Hezekia, tamin\u2019ianao niteny tamin\u2019i Joda sy Jerosalema hoe: \u2018Mila miankohoka eto anoloan\u2019ity alitara ity ianareo\u2019?\u201d\u2019",
        "8": "Raha sahy mifaninana amin\u2019ny mpanjakan\u2019ny Asyria tompoko \u00e0ry ianao, dia homeko soavaly 2\u00a0000, dia ho hita eo raha mahita mpitaingin-tsoavaly 2\u00a0000 ianao.",
        "9": "Ianao aza mila miantehitra amin\u2019i Ejipta vao manana kalesy sy mpitaingin-tsoavaly. Koa na ny governora kely indrindra amin\u2019ny mpanompon\u2019ny tompoko aza ve dia ho vitanao ny hampitsoaka azy?",
        "10": "Ary angaha moa izaho tsy nahazo alalana avy tamin\u2019i Jehovah, matoa miakatra hanafika sy handrava an\u2019ity tany ity? I Jehovah mihitsy no niteny tamiko hoe: \u2018Miakara dia tafiho io tany io, ary ravao.\u2019\u201d",
        "11": "Dia hoy i Eliakima sy Sebna ary Joa tamin\u2019ilay Rabsake: \u201cMba ataovy amin\u2019ny teny aramianina re ny zavatra resahinao aminay mpanomponao\u00a0e! Azonay ihany mantsy izany. Aza mampiasa fitenin\u2019ny Jiosy fa henon\u2019ny olona eny ambony manda.\u201d",
        "12": "Hoy anefa ilay Rabsake: \u201cAngaha ianao sy ny tomponao fotsiny no nasain\u2019ny tompoko hilazana an\u2019izany, fa tsy ireo olona mipetraka eny ambony manda ireo koa? Ireo koa ange hihinana ny tsy fihinany sy hisotro ny tsy fisotrony miaraka aminareo\u00a0e!\u201d",
        "13": "Dia nitsangana ilay Rabsake, ka niteny mafy tamin\u2019ny fitenin\u2019ny Jiosy hoe: \u201cHenoy ny tenin\u2019ny mpanjakan\u2019i Asyria, ilay mpanjaka lehibe!",
        "14": "Hoy ny mpanjaka: \u2018Aza manaiky hofitahin\u2019i Hezekia, fa tsy mahavonjy anareo izy.",
        "15": "Dia aza manaiky hotaomin\u2019i Hezekia hatoky an\u2019i Jehovah, rehefa miteny izy hoe: \u201cTena hamonjy antsika i Jehovah, ary tsy havela ho resin\u2019ny mpanjakan\u2019i Asyria ity tan\u00e0na ity.\u201d",
        "16": "Aza mihaino an\u2019i Hezekia, fa izao no tenin\u2019ny mpanjakan\u2019i Asyria: \u201cMihav\u00e0na amiko dia aoka ianareo hitolo-batana. Dia samy hihinana ny voalobony sy ny aviaviny ianareo, ary samy hisotro rano avy ao anatin\u2019ny lavaka fanangonan-dranony.",
        "17": "Avy eo dia ho tonga aho, dia hoentiko any amin\u2019ny tany mitovy amin\u2019ny taninareo ianareo, dia tany misy varimbazaha sy divay vaovao, tany misy mofo sy tanimboaloboka.",
        "18": "Aza manaiky hofitahin\u2019i Hezekia hoe: \u2018Hamonjy antsika i Jehovah!\u2019 Fa angaha nisy andriamanitry ny firenen-kafa nahavita namonjy ny taniny teo an-tanan\u2019ny mpanjakan\u2019i Asyria?",
        "19": "Aiza izao ireo andriamanitr\u2019i Hamata sy Arpada? Dia aiza ireo andriamanitr\u2019i Sefarvaima? Nahavita namonjy an\u2019i Samaria teo an-tanako angaha ireny?",
        "20": "Iza tamin\u2019ny andriamanitra rehetra ivavahan\u2019ireny firenena ireny no nahavonjy ny taniny teo am-pelatanako? Dia i Jehovah ve dia hahavita hamonjy an\u2019i Jerosalema eto am-pelatanako?\u201d\u2019\u201d",
        "21": "Nangina anefa izy ireo, ka tsy namaly azy na indraim-bava aza, satria efa nahazo baiko tamin\u2019ny mpanjaka hoe: \u201cAza mamaly azy.\u201d",
        "22": "Nankao amin\u2019i Hezekia kosa i Eliakima zanak\u2019i Hilkia, izay niandraikitra ny ankohonan\u2019ny mpanjaka, sy Sebna mpitan-tsoratra, ary Joa zanak\u2019i Asafa, mpanoratra ny raharaham-panjakana. Samy efa nandrovitra ny akanjony izy ireo tamin\u2019izay. Dia notantarainy tamin\u2019i Hezekia ny tenin\u2019ilay Rabsake."
    },
    "37": {
        "1": "Raha vao henon\u2019i Hezekia Mpanjaka izany, dia norovitiny ny akanjony. Ary nitafy lamba gony izy ka nankao an-tranon\u2019i Jehovah.",
        "2": "Dia nirahiny ho any amin\u2019i Isaia mpaminany zanak\u2019i Amoza i Eliakima mpiandraikitra ny ankohonan\u2019ny mpanjaka, sy Sebna mpitan-tsoratra, ary ny anti-panahy mpisorona. Ary nitafy lamba gony daholo ireo.",
        "3": "Hoy izy ireo tamin\u2019i Isaia: \u201cIzao no tenin\u2019i Hezekia: \u2018Andro fahoriana sy fibedesana ary fanalam-baraka ity andro ity, satria efa ho latsaka ny zaza, fa ny hery hiterahana azy no tsy misy.",
        "4": "Angamba ho henon\u2019i Jehovah Andriamanitrao ny tenin\u2019ilay Rabsake, ilay nirahin\u2019ny mpanjakan\u2019i Asyria tompony mba hila ady amin\u2019ilay Andriamanitra velona. Dia hosazin\u2019i Jehovah Andriamanitrao izy noho izany teniny izany. Koa mba mivavaha ho an\u2019izay sisa mbola velona.\u2019\u201d",
        "5": "Nankany amin\u2019i Isaia \u00e0ry ny mpanompon\u2019i Hezekia Mpanjaka.",
        "6": "Dia hoy i Isaia tamin\u2019izy ireo: \u201cLazao amin\u2019ny tomponareo hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah: \u201cAza matahotra na dia naheno an\u2019izany teny izany aza ianao, dia izay notenenin\u2019ny mpanompon\u2019ny mpanjakan\u2019i Asyria tamin\u2019izy ireo nanevateva ahy.",
        "7": "Fa misy hevitra hampidiriko ao an-tsainy, dia hody any amin\u2019ny taniny izy rehefa avy maheno tatitra. Dia hataoko matin\u2019ny sabatra any amin\u2019ny taniny ihany izy.\u201d\u2019\u201d",
        "8": "Henon\u2019ilay Rabsake fa efa niala tany Lakisy ny mpanjakan\u2019i Asyria. Dia niverina tany amin\u2019ny mpanjaka izy ka nahita azy niady tamin\u2019i Libna.",
        "9": "Ary nisy niteny tamin\u2019ny mpanjaka hoe nivoaka hiady aminy i Tiraka mpanjakan\u2019i Etiopia. Rehefa naheno an\u2019izany izy, dia naniraka olona nankany amin\u2019i Hezekia indray, sady niteny hoe:",
        "10": "\u201cIzao no holazainareo amin\u2019i Hezekia mpanjakan\u2019ny Joda: \u2018Aza manaiky hofitahin\u2019ilay Andriamanitrao izay atokisanao ka hiteny hoe: \u201cTsy ho resin\u2019ny mpanjakan\u2019i Asyria i Jerosalema.\u201d",
        "11": "Efa henonao ny nataon\u2019ireo mpanjakan\u2019i Asyria, dia ny nandravany ny tany rehetra. Dia ianao irery ve no ho voavonjy?",
        "12": "Tamin\u2019ireny firenena naringan\u2019ny razambeko ireny, mba nisy nahavita namonjy azy angaha ny andriamaniny? Aiza izao i Gozana sy Harana sy Rezefa ary ny mponin\u2019i Edena tao Tela-asara?",
        "13": "Dia aiza ny mpanjakan\u2019i Hamata, ny mpanjakan\u2019i Arpada, ny mpanjakan\u2019ny tan\u00e0nan\u2019i Sefarvaima, ary ny mpanjakan\u2019i Hena sy Iva?\u2019\u201d",
        "14": "Nalain\u2019i Hezekia teny an-tanan\u2019ireo iraka ny taratasy ka novakiny. Dia niakatra tao an-tranon\u2019i Jehovah izy avy eo, ka namelatra an\u2019ireny teo anatrehan\u2019i Jehovah.",
        "15": "Ary nivavaka tamin\u2019i Jehovah i Hezekia hoe:",
        "16": "\u201cRy\u00a0Jehovah Tompon\u2019ny tafika, ilay Andriamanitry ny Israely\u00a0\u00f4! Mipetraka eo amin\u2019ny seza fiandriananao eo ambonin\u2019ny kerobima ianao. Ianao irery no tena Andriamanitry ny fanjakana rehetra eto an-tany. Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany.",
        "17": "Jehovah\u00a0\u00f4, enga anie ianao mba hanongilan-tsofina ka hihaino! Mba sokafy ny masonao, Jehovah\u00a0\u00f4, ka mijere! Henoy ny teny rehetra nampitondrain\u2019i Sankeriba, fa mila ady amin\u2019ilay Andriamanitra velona izy.",
        "18": "Jehovah\u00a0\u00f4, efa noravan\u2019ireo mpanjakan\u2019i Asyria tokoa ny tany rehetra sy ny taniny.",
        "19": "Ary nodorany ny andriamanitr\u2019izy ireny, satria tsy andriamanitra fa vato aman-kazo sady asa tanan\u2019olona ihany. Izany no nahatonga azy ho afaka namotika azy ireny.",
        "20": "Fa mba vonjeo eo an-tanany re izahay izao, ry\u00a0Jehovah Andriamanitray\u00a0\u00f4! Amin\u2019izay dia ho fantatry ny fanjakana rehetra eto an-tany, Jehovah\u00a0\u00f4, fa ianao irery ihany no Andriamanitra.\u201d",
        "21": "Dia naniraka olona nankany amin\u2019i Hezekia i Isaia zanak\u2019i Amoza, hilaza hoe: \u201cIzao no tenin\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely: \u2018Satria nivavaka tamiko momba an\u2019i Sankeriba mpanjakan\u2019i Asyria ianao,",
        "22": "dia izao no nolazain\u2019i Jehovah mba hanamelohana azy: \u201cManao tsinontsinona anao i\u00a0Ziona zanakavavy virjiny, sady maneso anao. Mihivingivin-doha i Jerosalema zanakavavy mahita anao.",
        "23": "Mila ady amin\u2019iza ianao, ary miteny ratsy an\u2019iza? Iza no tabatabainao, Ary mianjonanjona amin\u2019iza ianao? Tsy amin\u2019iza fa amin\u2019Ilay Masin\u2019ny Israely!",
        "24": "Ny mpanomponao no nirahinao hila\u00a0ady amin\u2019i Jehovah, ka hoy ianao: \u2018Hoentiko ny kalesy be dia be fitondra miady Dia hiakatra eny amin\u2019ny tendrombohitra avo indrindra aho, Any amin\u2019ny faritra lavitra indrindra ao Lib\u00e0na. Hokapaiko ny hazo sedera avo sy ny hazo zenevrie tsara indrindra any. Dia hiditra ao amin\u2019ny toerana fiafenana faran\u2019izay avo aho, any amin\u2019ny alany faran\u2019izay mikitroka.",
        "25": "Handavaka lava-drano aho dia hisotro rano. Hataoko ritra ny renirano any Ejipta ka ny faladiako no hanaovako an\u2019izany.\u2019",
        "26": "Angaha tsy efa henonao fa izany no efa tapaka hatry ny ela\u00a0be? Efa hatramin\u2019ny taloha aho no nanomana an\u2019izany, Dia hotanterahiko izany izao. Hataonao tsy misy mponina intsony ny tan\u00e0na voaro mafy ka ho korontam-bato sisa.",
        "27": "Tsy ho afa-manoatra ny mponina\u00a0ao. Hatahotra be sy ho menatra izy ireo. Ho lasa hoatran\u2019ny zavamaniry eny an-tsaha sy ny ahitra maitso izy ireo, Ary ho lasa hoatran\u2019ny ahitra eny amin\u2019ny tafo, dia ahitra mainan\u2019ny rivotra avy any atsinanana.",
        "28": "Fantatro tsara anefa ianao rehefa mipetraka, na rehefa miditra, na rehefa mivoaka. Fantatro tsara koa rehefa tezitra\u00a0be amiko ianao,",
        "29": "Satria efa tonga at\u1ef3 am-poto-tsofiko ny teninao tamin\u2019ianao tezitra\u00a0be tamiko sy nitabataba\u00a0be. Dia hasiako faraingo ny oronao, ary hasiako lamboridy eo amin\u2019ny vavanao, Ka hotaritiko hiverina any amin\u2019ny lalana niavianao ianao.\u201d",
        "30": "\u201c\u2018Ary izao no ho famantarana ho anao: Izay zavatra maniry ho\u00a0azy no hataonareo sakafo amin\u2019ity taona ity. Dia izay vokatra avy amin\u2019izany indray no hohaninareo amin\u2019ny herintaona. Amin\u2019ny taona fahatelo kosa dia hamafy voa ianareo ka hijinja, ary hamboly voaloboka, dia hihinana ny vokatra amin\u2019izany.",
        "31": "Ary hisy fakany lalina sy hamoa ireo tafavoaka velona amin\u2019ny taranak\u2019i Joda, dia izay sisa tavela.",
        "32": "Fa hisy sisa hiangana avy\u00a0ao Jerosalema, ary hisy ho tafavoaka velona avy any amin\u2019ny Tendrombohitra Ziona. Ny hafanam-pon\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika no hanatanteraka an\u2019izany.",
        "33": "\u201c\u2018Izao \u00e0ry no tenin\u2019i Jehovah momba ny mpanjakan\u2019i Asyria: \u201cTsy ho tafiditra ato amin\u2019ity tan\u00e0na ity izy, Na handefa zana-tsip\u00ecka ato, Na hiady amin\u2019ity tan\u00e0na ity miaraka amin\u2019ny ampinga, Na hampiakatra dongon-tany hanaovana fahirano azy.\u201d\u2019",
        "34": "\u2018Ny lalana niaviany ihany no hiverenany. Tsy ho tafiditra ato amin\u2019ity tan\u00e0na ity izy\u2019, hoy i Jehovah.",
        "35": "\u2018Fa hiaro an\u2019ity tan\u00e0na ity aho, ka hamonjy azy noho ny anarako, Sy noho ny amin\u2019i Davida mpanompoko.\u2019\u201d",
        "36": "Dia tonga ilay anjelin\u2019i Jehovah ka nandripaka lehilahy 185\u00a0000 tao amin\u2019ny tobin\u2019ny Asyrianina. Rehefa nifoha maraina \u00e0ry ny olona, dia hitany ny fatin\u2019izy rehetra.",
        "37": "Dia lasa niverina tany Ninive i Sankeriba mpanjakan\u2019i Asyria ary nijanona tany.",
        "38": "Ary namono azy tamin\u2019ny sabatra i Adrameleka sy Sarezera zanany lahy, tamin\u2019izy niankohoka tao amin\u2019ny tranon\u2019i Nisroka andriamaniny. Dia nandositra tany Ararata izy roa lahy. Ary i Esara-hadona zanany lahy no nanjaka nandimby azy."
    },
    "38": {
        "1": "Tamin\u2019izany andro izany, dia narary efa ho faty i Hezekia. Ary tonga tao aminy i Isaia mpaminany zanak\u2019i Amoza, ka niteny hoe: \u201cIzao no tenin\u2019i Jehovah: \u2018Mamel\u00e0 hafatra amin\u2019ny ankohonanao, satria ho faty ianao fa tsy ho sitrana.\u2019\u201d",
        "2": "Dia nitodika tany amin\u2019ny rindrina i Hezekia, ka nivavaka tamin\u2019i Jehovah hoe:",
        "3": "\u201cMitalaho aminao aho, Jehovah\u00a0\u00f4! Mba tsarovy re aho fa tsy nivadika taminao\u00a0e, sady nanompo anao tamin\u2019ny foko manontolo! Nanao izay tsara teo imasonao koa aho.\u201d Dia nitomany be izy.",
        "4": "Avy eo dia niteny tamin\u2019i Isaia i Jehovah hoe:",
        "5": "\u201cMiverena any amin\u2019i Hezekia dia lazao aminy hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah, Andriamanitr\u2019i Davida razambenao: \u201cEfa henoko ny vavaka nataonao, ary efa hitako ny ranomasonao. Hampiako 15\u00a0taona \u00e0ry ny andro hiainanao.",
        "6": "Ary hovonjeko eo an-tanan\u2019ny mpanjakan\u2019i Asyria ianao sy ity tan\u00e0na ity, ka harovako ity tan\u00e0na ity.",
        "7": "Izao no famantarana avy amin\u2019i Jehovah mba hahalalanao fa hotanterahin\u2019i Jehovah ny teniny:",
        "8": "Hataoko mihemotra zanatohatra folo ny aloky ny masoandro izay efa nidina teo amin\u2019ny zanatohatr\u2019i Ahaza.\u201d\u2019\u201d Dia nihemotra zanatohatra folo ny aloka izay efa nidina teo amin\u2019ny zanatohatra.",
        "9": "Izao no nosoratan\u2019i Hezekia mpanjakan\u2019ny Joda, rehefa narary izy ary sitrana tamin\u2019ny aretiny:",
        "10": "Hoy aho: \u201cHiditra eo am-bavahadin\u2019ny Fasana aho, Amin\u2019izao mbola tsy antitra izao. Hesorina amiko ny taona sisa hiainako.\u201d",
        "11": "Hoy indray aho: \u201cTsy hahita an\u2019i Jah aho. Tsy hahita an\u2019i Jah eto amin\u2019ny tanin\u2019ny velona aho. Tsy hahita olombelona intsony aho, Rehefa any amin\u2019ny maty.",
        "12": "Nongotana sy nesorina tamiko ny fonenako, Hoatran\u2019ny tranolain\u2019ny mpiandry ondry. Ahoroko toy ny lamba ahoron\u2019ny mpanenona ny fiainako. Tapahiny ny kofehin\u2019ny fiainako, hoatran\u2019ny mpanenona manapaka kofehy amin\u2019ny lamba. Ataonao tapitra tsikelikely ny aiko, hatramin\u2019ny maraina ka hatramin\u2019ny alina.",
        "13": "Miezaka ho tony aho mandra-pahatongan\u2019ny maraina. Hoatran\u2019ny liona izy, ka tapatapahiny foana ny taolako rehetra. Ataonao tapitra tsikelikely ny aiko, hatramin\u2019ny maraina ka hatramin\u2019ny alina.",
        "14": "Mitaraindraina foana toy ny sidintsidina na ny fitatrala aho, Ary mitoreo foana toy ny voromailala. Reraka ny masoko mitazana ny eny amin\u2019ny avo: \u2018Mijaly be aho, Jehovah\u00a0\u00f4! Mba tohano aho!\u2019",
        "15": "Inona \u00e0ry no holazaiko? Efa niteny tamiko izy ka nanao zavatra. Hanetry tena aho mandritra ny taona rehetra iainako, Satria nangidy loatra ny nanjo ahy.",
        "16": "\u2018Jehovah\u00a0\u00f4, ireo zavatra ireo no mahavelona ny olona rehetra, Ary ireo no mbola mahavelona ny aiko. Hositraninao aho ka harovanao ny aiko.",
        "17": "Tsy mba niadana aho fa nangidy loatra ny nanjo ahy. Tia ahy anefa ianao, Ka niaro ahy tsy ho any amin\u2019ny lavaky ny fandringanana. Narianao any an-damosinao daholo ny fahotako.",
        "18": "Fa tsy afaka manome voninahitra anao ny Fasana, Ary tsy afaka midera anao ny fahafatesana. Izay midina any an-davaka koa tsy afaka manantena intsony ny hahita hoe tsy mivadika ianao.",
        "19": "Ny velona, ny velona no afaka midera anao, Hoatr\u2019izao ataoko androany izao. Ny ray no afaka mampianatra ny zanany hoe tsy mivadika ianao.",
        "20": "Vonjeo aho, Jehovah\u00a0\u00f4! Dia hotendrenay amin\u2019ny zavamaneno ny hirako, Mandritra ny andro rehetra iainanay ao an-tranon\u2019i Jehovah.\u2019\u201d",
        "21": "Dia hoy i Isaia: \u201cMitondr\u00e0 mofo vita amin\u2019ny aviavy maina noporetina, dia apetaho eo amin\u2019ilay fery mba ho sitrana izy.\u201d",
        "22": "Efa nanontany i Hezekia talohan\u2019izay hoe: \u201cInona no famantarana fa hiakatra any an-tranon\u2019i Jehovah aho?\u201d"
    },
    "39": {
        "1": "Tamin\u2019izany andro izany, dia nandefa taratasy sy fanomezana ho an\u2019i Hezekia i Merodaka-baladana mpanjakan\u2019i Babylona, zanak\u2019i Baladana. Henony mantsy hoe narary i Hezekia ary efa sitrana.",
        "2": "Faly nandray azy ireo i Hezekia, ka nasehony azy ny tao amin\u2019ny trano fitehirizan-karenany, dia ny volafotsy, ny volamena, ny menaka balsama, ny menaka sarobidy hafa, ny fitaovam-piadiany rehetra, ary izay rehetra tao amin\u2019ny fitehirizan-karenany. Tsy nisy tsy nasehon\u2019i Hezekia azy ny tao an-tranony sy ny tao amin\u2019ny fanjakany manontolo.",
        "3": "Taorian\u2019izay, dia nankao amin\u2019i Hezekia Mpanjaka i Isaia mpaminany, ka nanontany hoe: \u201cInona no nolazain\u2019ireny olona ireny, ary avy aiza, hono, ry\u00a0zareo?\u201d Dia hoy i Hezekia: \u201cAvy any an-tany lavitra ry\u00a0zareo, avy any Babylona.\u201d",
        "4": "Nanontany indray i Isaia hoe: \u201cInona no hitan-dry zareo tato an-tranonao?\u201d Dia hoy i Hezekia: \u201cHitany daholo izay rehetra ato an-tranoko. Tsy nisy tsy nasehoko azy ny tao amin\u2019ny fitehirizan-karenako.\u201d",
        "5": "Dia hoy i Isaia tamin\u2019i Hezekia: \u201cHenoy ny tenin\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika:",
        "6": "\u2018Ho avy ny andro hitondrana an\u2019izay rehetra ato an-tranonao any Babylona. Hoentina any koa izay rehetra notehirizin\u2019ny razambenao hatramin\u2019izao. Tsy hisy na inona na inona ho tavela\u2019, hoy i Jehovah.",
        "7": "\u2018Hisy hoentina any koa ny zanakao lahy izay haterakao, ka ho lasa tandapa any amin\u2019ny lapan\u2019ny mpanjakan\u2019i Babylona.\u2019\u201d",
        "8": "Dia hoy i Hezekia tamin\u2019i Isaia: \u201cMety izany tenin\u2019i Jehovah nolazainao izany.\u201d Hoy koa izy: \u201cMbola hisy fiadanana sy filaminana ihany mantsy mandritra ny androm-piainako.\u201d"
    },
    "40": {
        "1": "\u201cAmpion\u00f2ny, ampion\u00f2ny ny vahoakako!\u201d, hoy ilay Andriamanitrareo.",
        "2": "\u201cManaova teny manohina ny fon\u2019i Jerosalema. Lazao aminy fa efa vita ny asa an-terivozona nataony, Ary efa voaonitra ny fahadisoany. Efa nataon\u2019i Jehovah nanefa ny sazy sahaza azy izy, noho ny fahotany rehetra.\u201d",
        "3": "Izany fa misy miantsoantso any an-tany efitra hoe: \u201cOmano ny lalana halehan\u2019i Jehovah! Manaova lalambe mahitsy mamakivaky ny tany karakaina, mba handehanan\u2019ilay Andriamanitsika.",
        "4": "Aoka hisondrotra ny lohasaha rehetra, Ary hietry daholo kosa ny tendrombohitra sy ny havoana. Ataovy mitovy tantana ny tany misy dongodongona, Ary ataovy lasa lemaka ny tany mikitoantoana.",
        "5": "Dia hiharihary ny voninahitr\u2019i Jehovah, Ka samy hahita an\u2019izany ny olombelona rehetra, Satria i Jehovah no efa niteny.\u201d",
        "6": "Izany misy miteny hoe: \u201cMiantsoantsoa!\u201d Dia misy mamaly hoe: \u201cHiantso hoe ahoana?\u201d \u201cAhitra ihany ny olombelona rehetra, Ary hoatran\u2019ny voninkazo eny an-tsaha daholo ny fitiavany sy ny tsy fivadihany.",
        "7": "Maina ny ahi-maitso, Ary malazo ny voninkazo, Satria notsofin\u2019i Jehovah tamin\u2019ny fofonainy. Ahitra fotsiny tokoa ny olona.",
        "8": "Maina ny ahi-maitso, Ary malazo ny voninkazo, Fa ny tenin\u2019ilay Andriamanitsika kosa maharitra mandrakizay.\u201d",
        "9": "Miakara any an-tendrombohitra avo, Ry vehivavy mitondra vaovao tsara ho an\u2019i Ziona. Ataovy mafy ny feonao, Ry vehivavy mitondra vaovao tsara ho an\u2019i Jerosalema. Mitenena mafy ary aza matahotra! Lazao amin\u2019ireo tan\u00e0nan\u2019i Joda hoe: \u201cIny ilay Andriamanitrareo!\u201d",
        "10": "Ho avy i Jehovah Tompo Fara Tampony ka hampiseho ny heriny, Ary ny sandriny no hanjaka. Efa eny aminy ny valisoa homeny, Ary efa any aminy ny karama haloany.",
        "11": "Toy ny mpiandry ondry izy ka hokarakarainy ny andian\u2019ondriny. Ny sandriny no hanangonany ny zanak\u2019ondry, Dia hotrotroiny eo an-tratrany ireny. Hotarihiny sady hokenakenainy tsara ireo ondrivavy mbola mampinono.",
        "12": "Iza no mahavita mamatra ny rano rehetra amin\u2019ny felatanany, Sy mandrefy ny lanitra amin\u2019ny irain-jehy? Iza no mahavita mamatra ny vovoky ny tany amin\u2019ny kapoaka, Na mandanja ny tendrombohitra amin\u2019ny fandanjana, Sy mandanja ny havoana amin\u2019ny mizana?",
        "13": "Iza no mahavita mandrefy ny fanahin\u2019i Jehovah? Ary iza no afaka mampianatra azy ka hanoro hevitra azy?",
        "14": "Iza no nanontaniany mba hanampy azy hisaina tsara, Ary iza no mampianatra azy ny lalan\u2019ny rariny? Iza no mampita fahalalana aminy, Na mampiseho azy ny atao hoe tena fahiratan-tsaina?",
        "15": "Hoatran\u2019ny rano indray mitete avy amin\u2019ny siny ireo firenena, Ary toy ny vovoka manify eo amin\u2019ny mizana no fiheverana azy. Manainga an\u2019ireo nosy izy, toy ny manainga piti-bovoka.",
        "16": "Na ny hazo ao Lib\u00e0na aza tsy ampy hatao kitay, Ary na ny bibidia ao aza tsy ampy hatao fanatitra dorana.",
        "17": "Ny firenena rehetra dia toy ny tsy misy, eo anatrehany. Tsinontsinona sy tsy misy dikany ireny aminy.",
        "18": "Iza no azonareo ampitovina amin\u2019Andriamanitra? Ary inona no azonareo ampitahaina aminy?",
        "19": "Manamboatra sampy ny mpanao asa\u00a0tanana, Ary mametaka takela-bolamena eo amin\u2019ilay izy ny mpanefy, Sady manefy rojo volafotsy.",
        "20": "Mifidy hazo ny olona mba hataony fanomezana, Dia hazo tsy ho\u00a0lo. Mitady mpanao asa tanana mahay izy, Mba hanamboatra sary sokitra izay tsy hitongilangilana.",
        "21": "Tsy fantatrareo\u00a0ve? Mbola tsy henonareo\u00a0ve? Mbola tsy nolazaina taminareo hatramin\u2019ny voalohany\u00a0ve? Mbola tsy azonareo ihany ve hatramin\u2019ny nametrahana ny fototry ny tany?",
        "22": "Izy Ilay mipetraka any amin\u2019ny avo, any ambonin\u2019ity tany boribory ity, Ary hoatran\u2019ny valala ny mponina eo aminy. Izy no mamelatra ny lanitra toy ny lamba manify, Sy mamelatra azy toy ny tranolay ipetrahana.",
        "23": "Ataony lasa tsinontsinona ny manam-pahefana ambony, Ary ataony tsy misy dikany ny mpitsara eto an-tany.",
        "24": "Toy ny zavamaniry vao nambolena izy ireo, Hoatran\u2019ny voa vao nafafy, Ary mbola tsy mamaka tsara ao anaty tany ny fotony. Dia tsofin\u2019ny rivotra izy ireo ka maina, Ary entin\u2019ny rivotra toy ny mololo.",
        "25": "\u201cIza no azonareo ampitovina amiko, ka lasa hitovy aminy aho?\u201d, hoy Ilay Masina.",
        "26": "\u201cJereo ny lanitra ka banjino. Iza no namorona an\u2019ireny zavatra ireny? Izy Ilay mamoaka azy ireny hoatran\u2019ny mamoaka tafika, sady manisa azy tsirairay, Ary miantso azy rehetra amin\u2019ny anarany avy. Matanjaka be izy ary tena mahatalanjona ny heriny, Ka tsy misy banga ireny na iray aza.",
        "27": "Maninona ianao, ry\u00a0Jakoba no miteny an\u2019izao, ary maninona ianao, ry\u00a0Israely, no milaza hoe: \u2018Tsy hitan\u2019i Jehovah ny manjo ahy, Ary tsy mba mahazo rariny amin\u2019Andriamanitra aho\u2019?",
        "28": "Tsy fantatrao angaha? Sa mbola tsy henonao? Andriamanitra mandrakizay i Jehovah, ilay Mpamorona ny faran\u2019ny tany. Tsy mba reraka na sasatra mihitsy izy. Tsy takatry ny saina ny fahalalany.",
        "29": "Omeny hery ny reraka, Ary ataony matanjaka be izay kely hery.",
        "30": "Ho reraka sy ho sasatra ny ankizilahy, Ary ho tafintohina ny tovolahy ka hianjera.",
        "31": "Fa izay manantena an\u2019i Jehovah kosa hahazo hery indray. Hanidina ambony izy ireo, hoatran\u2019ny hoe manana elatry ny voromahery. Hihazakazaka izy nefa tsy ho vizana, Ary handeha nefa tsy ho reraka.\u201d"
    },
    "41": {
        "1": "\u201cMang\u00ecna, ry nosy, dia henoy aho. Avelao hahazo hery indray ireo firenena. Avelao izy ireo hanatona dia hiteny. Andao isika hiaraka ho any amin\u2019ny fitsarana.",
        "2": "Iza no nampirisika olona iray avy any amin\u2019ny fiposahan\u2019ny masoandro? Iza no niantso azy araka ny fahamarinana mba ho eo an-tongony, Amin\u2019izay dia hatolotra eo anatrehany ireo firenena, Ary havela ho resiny ireo mpanjaka? Iza no manorotoro azy ireo amin\u2019ny sabatra mba ho lasa vovoka, Sady manaparitaka azy ireo amin\u2019ny tsip\u00ecka, hoatran\u2019ny mololo tsofin\u2019ny rivotra?",
        "3": "Manenjika an\u2019ireny firenena ireny izy ary tsy misy manakantsakana Eny amin\u2019ny lalana mbola tsy nandehanany.",
        "4": "Iza no nanao sy nahavita an\u2019izany, Ka niantso an\u2019ireo taranaka mifandimby, efa hatramin\u2019ny voalohany? Tsy iza fa izaho Jehovah, Ilay Voalohany. Ary tsy miova aho na dia hatrany amin\u2019ny taranaka farany aza.\u201d",
        "5": "Nahita an\u2019izany ireo nosy ka natahotra. Nangovitra koa ny faran\u2019ny tany. Dia niangona izy ireo ka nihananatona.",
        "6": "Samy manampy ny namany izy ireo, Ary samy milaza amin\u2019ny rahalahiny hoe: \u201cMahereza!\u201d",
        "7": "Ny mpanao asa tanana dia mampahery ny mpanefy. Ilay manafisaka vy amin\u2019ny marotoa kosa Mampahery an\u2019ilay mively eo amin\u2019ny riandriana. Hoy izy: \u201cMitambatra tsara izy izany!\u201d Dia fantsihana ilay sampy avy eo mba tsy hitongilangilana.",
        "8": "\u201cFa ianao kosa, ry Israely, dia mpanompoko, Ary ianao no nofidiko, ry\u00a0Jakoba, Ilay taranak\u2019i Abrahama namako.",
        "9": "Ianao ilay nalaiko avy any amin\u2019ny faran\u2019ny tany, Ary ianao ilay nantsoiko avy any amin\u2019ny toerana lavitra indrindra. Dia hoy aho taminao: \u2018Mpanompoko ianao. Efa nifidy anao aho, ka tsy manary anao.",
        "10": "Aza matahotra fa manohana anao aho. Aza manahy fa izaho no Andriamanitrao. Hanatanjaka anao aho ka hanampy anao. Hitazona anao mafy amin\u2019ny tanako ankavanana aho, dia ny tanako manao ny rariny.\u2019",
        "11": "Ho menatra sy ho afa-baraka izay rehetra tezitra\u00a0be aminao, Ary ho lasa tsinontsinona sy ho ripaka izay miady aminao.",
        "12": "Hitady an\u2019ireo olona mamely anao ianao, fa tsy hahita. Ho lasa toy ny tsy misy sy ho tsinontsinona ny olona miady aminao.",
        "13": "Fa izaho Jehovah Andriamanitrao no mitazona anao mafy amin\u2019ny tananao ankavanana, Dia Ilay milaza aminao hoe: \u2018Aza matahotra fa hanampy anao aho.\u2019",
        "14": "Aza matahotra, ry\u00a0Jakoba kankana, Hanampy anao aho, ry\u00a0vahoakan\u2019Israely\u201d, hoy i Jehovah Mpanavotra anao, Ilay Masin\u2019ny Israely.",
        "15": "\u201cNataoko hoatran\u2019ny fitaovana fanosihosena varimbazaha ianao, Hoatran\u2019ny fitaovana vaovao sy maranitra fanosihosena varimbazaha. Hohitsakitsahinao ny tendrombohitra ka hopotipotehinao, Ary hataonao toy ny akofa ny havoana.",
        "16": "Hokororohinao ireny, Ka hoentin\u2019ny rivotra, Ary haelin\u2019ny tafio-drivotra. Dia hifaly noho ny amin\u2019i Jehovah ianao, Ary Ilay Masin\u2019ny Israely no ho reharehanao.\u201d",
        "17": "\u201cMitady rano ny sahirana sy ny mahantra nefa tsy misy. Mainan\u2019ny hetaheta ny lelan\u2019izy ireo. Izaho Jehovah no hamaly azy, Ary tsy mba handao azy aho, ilay Andriamanitry ny Israely.",
        "18": "Hasiako renirano mikoriana eny amin\u2019ny havoana mangadihady, Dia hasiako loharano eny amin\u2019ny lohasaha. Hovako ho farihy anirian\u2019ny bararata ny tany efitra, Ary hovako ho loharano ny tany tsy misy\u00a0rano.",
        "19": "Hamboleko hazo sedera, Sy hazo akasia, sy mirta, ary hazo kesika ny tany karakaina. Hamboleko hazo zenevrie Sy hazo volondavenona ary siprey ny lemaka karakaina.",
        "20": "Amin\u2019izay dia ho hitan\u2019ny olon-drehetra sy ho fantany, Ary ho henony tsara sy ho takany Fa ny tanan\u2019i Jehovah no nanao an\u2019izany, Ary Ilay Masin\u2019ny Israely no namorona an\u2019izany.\u201d",
        "21": "\u201cResaho amiko ny adinareo\u201d, hoy i Jehovah. \u201cAsehoy ny porofo anananareo\u201d, hoy ilay Mpanjakan\u2019i Jakoba.",
        "22": "\u201cAsehoy ny porofo dia teneno anay izay hitranga. Teneno anay koa ny zavatra taloha, Mba hosaintsaininay ka ho fantatray izay hiafarany. Na lazao aminay izay zavatra ho\u00a0avy.",
        "23": "Teneno anay izay hitranga amin\u2019ny hoavy, Dia ho fantatray hoe andriamanitra ianareo. Manaova zavatra, na tsara na ratsy, Mba ho gaga izahay rehefa mahita an\u2019izany.",
        "24": "Jereo anefa fa hoatran\u2019ny tsy misy ianareo, Ary tsinontsinona ny zava-bitanareo. Maharikoriko izay mifidy anareo.",
        "25": "Nampirisika olona iray avy any avaratra aho, ka ho tonga izy, Olona iray avy any amin\u2019ny fiposahan\u2019ny masoandro, izay hiantso ny anarako. Hohitsakitsahiny hoatran\u2019ny manitsakitsaka tanimanga ny mpitondra, Hoatran\u2019ny ataon\u2019ny mpanefy tanimanga manosihosy tanimanga mbola lena.",
        "26": "Iza no nilaza an\u2019izany zavatra izany hatrany am-boalohany mba ho fantatray, Na nilaza an\u2019izany hatramin\u2019ny taloha, mba ho afaka hiteny izahay hoe: \u2018Marina ny azy\u2019? Tsy nisy niteny an\u2019izany mihitsy! Tsy nisy nilaza an\u2019izany! Ary tsy nisy naheno an\u2019izay nolazainareo!\u201d",
        "27": "Izaho no voalohany niteny tamin\u2019i Ziona hoe: \u201cIreny ry\u00a0zareo!\u201d Ary handefasako olona hitondra vaovao tsara i Jerosalema.",
        "28": "Nijery foana anefa aho, fa tsy nahita olona. Tsy nisy tamin\u2019izy ireo afaka nanoro hevitra. Nanontaniako foana izy ireo, fa tsy nisy namaly.",
        "29": "Sandoka daholo izy rehetra, Ary tsinontsinona ny zavatra ataony. Rivotra ihany ny sarivongana metaly nataony sady tsisy dikany."
    },
    "42": {
        "1": "Io ny mpanompoko izay tohanako, Ilay nofidiko sady ankasitrahako! Nomeko ny fanahiko izy, Ka hampihatra ny rariny amin\u2019ireo firenena.",
        "2": "Tsy hiantsoantso izy na hihogahoga, Ary tsy hataony heno eny an-dalana ny feony.",
        "3": "Tsy hotapahiny ny bararata folaka, Ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro mitsilopilopy. Tsy mivadika izy ka hampihatra ny rariny.",
        "4": "Tsy ho reraka na ho sasatra izy mandra-panaovany ny rariny eto an-tany. Ary hiandry ny lal\u00e0ny foana ireo nosy.",
        "5": "Izao no tenin\u2019i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, Dia ilay Mpamorona ny lanitra, Ilay Be\u00a0Voninahitra izay namelatra ny lanitra, Ilay nanao ny tany sy ny vokatra eo aminy, Ilay manome fofonaina ho an\u2019ny mponina eny ambonin\u2019ny tany, Sy manome aina ho an\u2019izay mandeha eny ambonin\u2019ny tany:",
        "6": "\u201cIzaho Jehovah no miantso anao araka ny fahamarinana. Mitazona ny tananao aho. Hiaro anao aho, ary ianao no hataoko antoka ho an\u2019ny olona, Sy fahazavana ho an\u2019ny firenena,",
        "7": "Mba hataonao mahita ny mason\u2019ny jamba, Ary havoakanao avy any ambany lakaly figadrana ny voafonja, Sady havoakanao avy ao am-ponja izay mipetraka ao anaty haizina.",
        "8": "Izaho no Jehovah. Izany no anarako. Tsy homeko an\u2019iza na iza ny voninahitro, Ary tsy homeko ho an\u2019ny sary sokitra ny fiderana ahy.",
        "9": "Jereo fa efa tanteraka ny zavatra nolazaina taloha\u00a0be, Fa milaza zava-baovao kosa aho izao. Mbola tsy mipoitra ireny, dia efa teneniko anareo.\u201d",
        "10": "Mihir\u00e0 hira vaovao ho an\u2019i Jehovah! Hirao avy any amin\u2019ny faran\u2019ny tany ny fiderana azy, Ry olona mivelona amin\u2019ny ranomasina sy izay rehetra ao anatiny, Ry nosy sy ny mponina eo aminy!",
        "11": "Aoka hanandra-peo ny tany efitra sy ny tan\u00e0nany Ary ny tan\u00e0na kely ipetrahan\u2019i Kedara. Aoka hihoby sy ho falifaly ny mponina eny amin\u2019ny harambato, Sady hiantsoantso avy eny an-tampon-tendrombohitra.",
        "12": "Aoka izy ireo hanome voninahitra an\u2019i Jehovah, Sy hidera azy eny amin\u2019ireo nosy.",
        "13": "Hivoaka hiady toy ny lehilahy matanjaka i Jehovah. Efa maika hanao zavatra hoatran\u2019ny miaramila izy, Ary hiantsoantso mafy hanao hiakan\u2019ady. Dia hasehony fa mahery noho ny fahavalony izy.",
        "14": "\u201cEfa hatry ny ela aho no nangina, Ary mbola nangina sy nifehy\u00a0tena foana. Hitaraina sady hisefosefo ary ho sempotsempotra anefa aho, Toy ny vehivavy efa ho teraka.",
        "15": "Handrava tendrombohitra sy havoana aho, Dia hataoko maina ny zavamaniry rehetra eny. Hovako ho nosy ny renirano, Ary hataoko ritra ny farihy anirian\u2019ny bararata.",
        "16": "Hotarihiko amin\u2019ny lalana tsy fantany ny jamba, Ka hoentiko ho eny amin\u2019ny lalana tsy mahazatra azy. Hataoko mazava ny haizina eo alohan\u2019izy ireo, Ary hataoko mitovy tantana ny tany mikitoantoana. Izany no hataoko ho azy ireo, ary tsy handao azy aho.\u201d",
        "17": "Hitsoaka sady ho menatra tanteraka izy ireo, Dia izay mitoky amin\u2019ny sary sokitra, Sy miteny amin\u2019ny sarivongana metaly hoe: \u201cIanareo no andriamanitray.\u201d",
        "18": "Mihainoa, ry\u00a0marenina! Mijere tsara, ry\u00a0jamba!",
        "19": "Iza moa no jamba raha tsy ny mpanompoko ihany? Iza no tena marenina hoatran\u2019ilay nirahiko? Iza no tena jamba hoatran\u2019ilay nahazo valisoa, Na tena jamba toy ny mpanompon\u2019i Jehovah?",
        "20": "Mahita zavatra maro ianao, nefa tsy raharahianao. Sokafanao ny sofinao, nefa tsy mihaino ianao.",
        "21": "Fa tia rariny i Jehovah, Ka mahafinaritra azy ny mampiseho hoe tena miavaka sy be\u00a0voninahitra ny lal\u00e0na.",
        "22": "Nangalarina sy norobaina ny fananan\u2019ny vahoaka. Voafandrika ao anaty lavaka daholo izy ireo, ary afenina ao am-ponja. Nangalarina ny fananany nefa tsy nisy namonjy azy. Norobaina koa ny fananany nefa tsy nisy niteny hoe: \u201cAvereno at\u1ef3 ireny!\u201d",
        "23": "Iza aminareo no hihaino an\u2019izany? Iza no hihaino tsara ka handray soa any aoriana any?",
        "24": "Iza no nanolotra an\u2019i Jakoba tamin\u2019ny mpandroba, Sy nanolotra an\u2019i Israely tamin\u2019ny mpangalatra? Tsy i Jehovah ve? Nanota taminy mantsy izy ireo, Sady tsy nety nanaraka an\u2019izay natorony, Ary tsy nankat\u00f2 ny lal\u00e0ny.",
        "25": "Nanampatra ny hatezerany taminy \u00e0ry Izy, Ary nisafoaka mafy sady namela azy hijalijaly tao anatin\u2019ny ady mangotraka. Nandevona an\u2019izay rehetra nanodidina azy izany ady izany, nefa tsy noraharahiany. Nandoro azy ilay izy, nefa tsy noheveriny ho zava-dehibe."
    },
    "43": {
        "1": "Izao no tenin\u2019i Jehovah, Ilay Mpamorona anao, ry\u00a0Jakoba, dia Ilay namolavola anao, ry\u00a0Israely: \u201cAza matahotra fa efa navotako ianao. Nantsoiko tamin\u2019ny anaranao ianao, Ary fananako.",
        "2": "Hanampy anao aho rehefa miampita rano ianao. Tsy ho tondraka sy tsy handifotra anao ny renirano rehefa miampita eny ianao. Tsy ho may ianao rehefa mandeha eo amin\u2019ny afo, Ary tsy handoro anao ny lelafo.",
        "3": "Fa izaho no Jehovah Andriamanitrao, Ilay Masin\u2019ny Israely, Mpamonjy anao. Nomeko mba ho vidin\u2019ny nanavotana anao i Ejipta, Ary nataoko takalonao i Etiopia sy Seba.",
        "4": "Lasa sarobidy teo imasoko mantsy ianao Sady nohajaina, ary tiako. Hanome vahoaka ho solonao \u00e0ry aho, Ary hanome firenena maro ho takalon\u2019ny ainao.",
        "5": "Aza matahotra fa manohana anao aho. Hoentiko avy any atsinanana ny taranakao, Ary hangoniko avy any andrefana ianao.",
        "6": "Hiteny amin\u2019ny avaratra aho hoe: \u2018Avereno izy!\u2019, Ary amin\u2019ny atsimo hoe: \u2018Avotsory izy! Ento avy any lavitra any ny zanako lahy, ary ento avy any amin\u2019ny faran\u2019ny tany ny zanako vavy,",
        "7": "Dia izay rehetra antsoina amin\u2019ny anarako, Sy noforoniko mba hanomezana voninahitra ahy, Ary izay novolavolaiko sy nataoko.\u2019",
        "8": "Avoahy ilay vahoaka jamba nefa manana maso, Ary marenina nefa manana sofina.",
        "9": "Asaivo mivory eo amin\u2019ny toerana iray ny firenena rehetra, Ary asaivo miangona ny vahoaka rehetra. Iza amin\u2019izy ireo no afaka milaza an\u2019izany? Ary iza no afaka miteny aminay ny zavatra hitranga voalohany? Asaivo entiny ny vavolombelony mba hahitana raha marina izy, Na asaivo mihaino sy miteny ny vavolombelony hoe: \u2018Marina izany!\u2019\u201d",
        "10": "\u201cIanareo no vavolombeloko\u201d, hoy i Jehovah, \u201cSady mpanompoko izay nofidiko, Amin\u2019izay ianareo hahafantatra sy hino ahy, Sady hahalala hoe tsy miova Aho. Tsy nisy Andriamanitra noforonina talohako, Ary tsy hisy koa ao aoriako.",
        "11": "Izaho no Jehovah, ary tsy misy mpamonjy afa-tsy izaho.\u201d",
        "12": "\u201cIzaho Ilay nilaza sy namonjy ary nampahafantatra, Tamin\u2019ny mbola tsy nisy andriamani-kafa teo aminareo. Ianareo \u00e0ry no vavolombeloko\u201d, hoy i Jehovah, \u201cary izaho no Andriamanitra.",
        "13": "Tsy miova mihitsy koa Aho. Tsy misy mahavita mandrombaka an\u2019izay et\u1ef3 an-tanako. Iza no mahasakana ahy rehefa manao zavatra aho?\u201d",
        "14": "Izao no tenin\u2019i Jehovah, ilay Mpanavotra anareo, Ilay Masin\u2019ny Israely: \u201cHandefa tafika ho any Babylona aho, noho ny aminareo, ary hampidiniko daholo ny bara hidin\u2019ny vavahady. Hasiako koa ny Kaldeanina mandeha sambo, ka hitaraina satria mafy ny manjo azy.",
        "15": "Izaho no Jehovah, Ilay Masina tompoinareo, ilay Mpamorona ny Israely sady Mpanjakanareo.\u201d",
        "16": "Izao no tenin\u2019i Jehovah, Ilay manisy lalana eny an-dranomasina Sady manisy lalana eny amin\u2019ny rano mahery,",
        "17": "Ilay mamoaka ny kalesy fitondra miady sy ny soavaly, Ary ny tafika sy ny miaramila matanjaka: \u201cHatory izy ireo ka tsy hifoha intsony. Ho faty izy ireo satria hovonoina hoatran\u2019ny lahin-jiro mirehitra.\u201d",
        "18": "\u201cAza tsarovana ny zavatra taloha, Ary aza mifantoka amin\u2019ny lasa.",
        "19": "Manao zavatra vaovao aho! Efa mitranga aza ilay izy izao. Tsy fantatrareo angaha ilay izy? Hanao lalana hamakivaky ny tany efitra aho, Ary hasiako renirano hamakivaky ny tany karakaina.",
        "20": "Hanaja ahy ny bibidia, Dia ny alikadia sy ny aotirisy. Asiako rano mantsy any amin\u2019ny tany efitra, Ary asiako renirano any amin\u2019ny tany karakaina, Mba hosotroin\u2019ny vahoakako izay nofidiko,",
        "21": "Dia ilay vahoaka novolavolaiko ho ahy, Amin\u2019izay izy ireo hidera ahy.",
        "22": "Tsy niantso ahy anefa ianao, ry\u00a0Jakoba\u00a0\u00f4! Lasa leo ahy mantsy ianao, ry\u00a0Israely\u00a0\u00f4!",
        "23": "Tsy nitondranao ondry atao fanatitra dorana manontolo aho, Sady tsy nomenao voninahitra tamin\u2019ny sorona nataonao. Tsy notereko hitondra fanomezana ho ahy anefa ianao, Ary na dia nitaky ditin-kazo manitra aza aho dia tsy nataoko nandreraka anao izany.",
        "24": "Tsy nividiananao fant\u00e0kamanitra tamin\u2019ny volanao aho, Ary tsy nataonao nahavoky ahy ny tavin\u2019ny sorona natolotrao. Vao mainka aza nataonao nanavesatra ahy ny fahotanao, Ary nataonao nandreraka ahy ny fahadisoanao.",
        "25": "Izaho Ilay mikosoka ny fahadisoanao, noho ny anarako, Ka tsy hotsaroako ny fahotanao.",
        "26": "Ampahatsiahivo aho, ary andao hoentina eny amin\u2019ny fitsarana ny ady ifanaovantsika. Dia lazao ny hevitrao momba an\u2019izany mba hahitana raha marina ianao.",
        "27": "Nanota ilay razambenao voalohany, Ary nikomy tamiko ireo mpitondra teny eo aminao.",
        "28": "Hozimbazimbaiko \u00e0ry ny andrianan\u2019ny toerana masina, Dia hatokako haringana i Jakoba, Ary havelako hanambanimbany an\u2019i Israely ny olona."
    },
    "44": {
        "1": "\u201cMihainoa \u00e0ry, ry\u00a0Jakoba mpanompoko, Dia ianao ry Israely izay nofidiko.",
        "2": "Izao no tenin\u2019i Jehovah, Ilay Mpanao anao sy Ilay namolavola anao, Ilay nanampy anao hatrany am-bohoka: \u2018Aza matahotra, ry\u00a0Jakoba mpanompoko, Dia ianao ry Jesorona izay nofidiko.",
        "3": "Fa handatsahako rano izay mangetaheta, Ary hasiako renirano mikoriana any amin\u2019ny tany karakaina. Handatsahako ny fanahiko ny taranakao, Sady handrotsahako fitahiana.",
        "4": "Dia handrobona toy ny ahi-maitso izy ireo, Hoatran\u2019ny hazo aravaha eny amoron\u2019ny renirano.",
        "5": "Ny iray hiteny hoe: \u201cAn\u2019i Jehovah aho.\u201d Ny anankiray indray hanao ny anarany hoe Jakoba, Ary ny anankiray kosa hanoratra eo amin\u2019ny tanany hoe: \u201cAn\u2019i Jehovah.\u201d Dia hataony hoe Israely ny anarany.\u2019",
        "6": "Izao no tenin\u2019i Jehovah, Dia i Jehovah Tompon\u2019ny Tafika, ilay Mpanjakan\u2019ny Israely sy Mpanavotra azy: \u2018Izaho no voalohany ary izaho no farany. Tsy misy Andriamanitra afa-tsy izaho.",
        "7": "Iza no mitovy amiko? Asaivo mamaly izy ka hiteny sy hanaporofo an\u2019izany amiko. Hatramin\u2019ny andro namoronako ny vahoaka fahiny, Dia iza no afaka milaza an\u2019izay hitranga tsy ho\u00a0ela, Sy izay mbola hitranga amin\u2019ny hoavy?",
        "8": "Aza matahotra, Ary aza manaiky ho resin\u2019ny tahotra. Angaha tsy efa nilazako mialoha ianareo tsirairay? Ary angaha tsy efa noteneniko izany? Ianareo no vavolombeloko. Misy Andriamanitra hafa ankoatra ahy\u00a0ve? Tsia, tsy misy Vatolampy hafa. Tsy mahafantatra aho na iray aza.\u2019\u201d",
        "9": "Tsy misy dikany daholo izay manamboatra sary sokitra, Ary tsy hisy hilana azy ny sampy mamin\u2019ny fony. Vavolombelona ireny, nefa tsy mahita na inona na inona sady tsy mahalala na inona na inona, Ka ho menatra izay manao azy.",
        "10": "Iza no hanamboatra andriamanitra, Na handrendrika metaly hanaovana sarivongana tsy misy ilana\u00a0azy?",
        "11": "Ho menatra daholo ny mpiara-miasa aminy. Olombelona ihany mantsy ireo mpanao asa tanana. Asaivo mivory izy rehetra dia maka toerana. Ho raiki-tahotra izy ireo sady ho menatra daholo.",
        "12": "Mampiasa ny fitaovany ny mpanefy, rehefa manefy an\u2019ilay vy eo ambonin\u2019ny afon-tsaribao. Amboariny amin\u2019ny marotoa ilay\u00a0izy, Ka mampiasa ny sandriny mahery izy amin\u2019izany. Noana anefa izy avy eo ka mihareraka. Tsy misotro rano izy ka vizana.",
        "13": "Ny mpanao sokitra hazo kosa manenjana ny tady fandrefesana. Soritany amin\u2019ny lakire mena ny endrik\u2019ilay sarivongana. Dia mampiasa fandraka izy, ary mampiasa k\u00f4mp\u00e0 mba hanaovana soritra eo amin\u2019ilay hazo. Amboariny hitovy bika amin\u2019ny olona ilay\u00a0izy, Ka ataony tsara tarehy mitovy amin\u2019ny olombelona, Mba hapetraka ao an-trano.",
        "14": "Misy indray mpikapa hazo sedera. Mifantina hazo izy, dia hazo oaka, Ary avelany hitombo tsara miaraka amin\u2019ny hazo any an\u2019ala ilay izy. Mamboly hazo lorie koa izy, ary ny ranonorana no mampaniry azy.",
        "15": "Ataon\u2019olona kitay andrehetana afo anefa ilay izy avy\u00a0eo. Akany ilay izy dia eo izy no mitanina afo. Mampirehitra afo izy dia manao mofo. Manamboatra andriamanitra koa anefa izy dia mivavaka amin\u2019izany. Ataony sary sokitra izany dia iankohofany.",
        "16": "Dorany ny antsasak\u2019ilay hazo, Dia itonoany hena hohaniny, ka voky izy. Mitanina afo eo koa izy ka miteny hoe: \u201cMafana er\u1ef3 aho izany mijery an\u2019ity afo ity!\u201d",
        "17": "Ny ambiny kosa anamboarany andriamanitra ka ataony sary\u00a0sokitra. Iankohofany ilay izy dia ivavahany. Dia mivavaka aminy izy hoe: \u201cVonjeo aho fa ianao no andriamanitro.\u201d",
        "18": "Tsy mahalala na inona na inona izy sady tsy misy zavatra takany. Nakombona mantsy ny masony ka tsy mahita, Ary tsy mahay manavaka izy ireo.",
        "19": "Tsy mba misy mieritreritra mihitsy izy ireo ao am-pony, Ary tsy misy mahalala na mba misaina, ka miteny hoe: \u201cNy antsasany nodorako, Dia nanao mofo sy nitono hena teo ambonin\u2019ny vainafo aho mba hohaniko. Dia izaho ve dia hanao zava-maharikoriko amin\u2019ny ambin\u2019ilay hazo? Izaho ve dia hivavaka amin\u2019izay vatan-kazo?\u201d",
        "20": "Lavenona no ataony sakafo. Voafitaka ny fony ka lasa manao ratsy izy. Tsy afaka mamonjy ny ainy izy, sady tsy miteny hoe: \u201cTsy fitaka fotsiny ve ity eto amin\u2019ny tanako ankavanana ity?\u201d",
        "21": "\u201cTsarovy izany zavatra izany, ry\u00a0Jakoba\u00a0\u00f4, dia ianao ry\u00a0Israely\u00a0\u00f4, Satria mpanompoko ianao. Izaho no nanao anao, ka mpanompoko ianao. Tsy hohadinoiko ianao, ry\u00a0Israely\u00a0\u00f4!",
        "22": "Hokosehiko ny fahadisoanao, toy ny hoe hosaronana rahona, Ary hokosehiko ny fahotanao, toy ny hoe hosaronana rahona matevina. Miverena amiko fa havotako ianao.",
        "23": "Mihobia sy mifalia, ry\u00a0lanitra, Fa nanao zavatra i Jehovah! Manaova horakora-pandresena, ry\u00a0faritra lalina amin\u2019ny tany! Mifalia, ry tendrombohitra, Sy ny ala ary ny hazo rehetra! Fa efa navotan\u2019i Jehovah i\u00a0Jakoba, Ary asehony amin\u2019i Israely ny voninahiny.\u201d",
        "24": "Izao no tenin\u2019i Jehovah, ilay Mpanavotra anao, Dia ilay namolavola anao hatrany an-kibo: \u201cIzaho no Jehovah, ilay nanao ny zava-drehetra. Izaho irery no namelatra ny lanitra Sy namelatra ny tany. Iza no nanampy ahy tamin\u2019izany?",
        "25": "Ataoko tsy tanteraka ny famantarana lazain\u2019ny mpirediredy. Izaho Ilay mahatonga ny mpisikidy hanao hoatran\u2019ny adala. Izaho koa Ilay mahatonga ny olon-kendry ho sahiran-tsaina, Ka manova ny zavatra hainy ho hadalana.",
        "26": "Izaho Ilay manatanteraka ny tenin\u2019ny mpanompoko, Sady manatanteraka amin\u2019ny an-tsipiriany an\u2019ireo faminaniana lazain\u2019ny olona irahiko. Izaho koa Ilay miteny momba an\u2019i Jerosalema hoe: \u2018Honenana izy\u2019, Ary momba an\u2019ireo tan\u00e0nan\u2019i Joda hoe: \u2018Haorina indray ireny. Haveriko hoatran\u2019ny taloha indray izay toerana efa rava tao.\u2019",
        "27": "Izaho Ilay miteny amin\u2019ny rano lalina hoe: \u2018Miov\u00e0 ho lasa etona, Dia hataoko ritra ny reniranonao rehetra.\u2019",
        "28": "Izaho Ilay miteny momba an\u2019i Kyrosy hoe: \u2018Izy no mpiandry ondriko, Ka hotanterahiny an-tsakany sy an-davany ny sitrapoko rehetra.\u2019 Izaho Ilay miteny momba an\u2019i Jerosalema hoe: \u2018Haorina indray izy\u2019, Ary momba ny tempoly hoe: \u2018Hapetraka ny fototrao.\u2019\u201d"
    },
    "45": {
        "1": "Izao no tenin\u2019i Jehovah amin\u2019ilay voahosotra notendreny, dia i Kyrosy, Ilay notantanako tamin\u2019ny tanany ankavanana, Mba handresy firenena eo alohany, Sy hanala ny fiadiana eny amin\u2019ny mpanjaka, Ary mba hanokatra ny varavarana kopa-droa eo anoloany, Amin\u2019izay tsy hakatona ny vavahady:",
        "2": "\u201cHandeha eo alohanao aho, Ka hataoko mitovy tantana ny havoana. Hopotipotehiko ny vavahady varahina, Ary hotapahiko ny bara hidiny\u00a0vy.",
        "3": "Dia homeko anao ny harena voatahiry ao amin\u2019ny haizina, Sy ny harena afenina ao amin\u2019ny toerana miafina. Amin\u2019izay ho fantatrao fa izaho no Jehovah, Ilay Andriamanitry ny Israely, izay miantso anao amin\u2019ny anaranao.",
        "4": "Antsoiko amin\u2019ny anaranao ianao, Noho ny amin\u2019i Jakoba mpanompoko sy Israely izay nofidiko. Omeko anarana be\u00a0voninahitra ianao, na dia tsy nahafantatra ahy akory aza.",
        "5": "Izaho no Jehovah, ary tsy misy hafa. Tsy misy Andriamanitra afa-tsy izaho. Homeko hery ianao na dia tsy fantatrao aza aho.",
        "6": "Amin\u2019izay ho fantatry ny olona Hatrany amin\u2019ny fiposahan\u2019ny masoandro ka hatrany amin\u2019ny filentehany, Fa tsy misy afa-tsy izaho. Izaho no Jehovah, ary tsy misy hafa.",
        "7": "Manao ny hazavana sy mamorona ny haizina aho, Ary mampisy fiadanana sy mahatonga loza. Izaho Jehovah no manao an\u2019izany rehetra izany.",
        "8": "Mandrotsaha orana avy any ambony, ry\u00a0lanitra! Aoka handrotsaka fahamarinana ny rahona. Aoka hisokatra koa ny tany ka hamokatra famonjena, Sady hampitsiry fahamarinana. Izaho Jehovah no namorona an\u2019izany.\u201d",
        "9": "Hahita loza izay miady amin\u2019ny Mpanao azy! Vakim-bilany tanimanga fotsiny mantsy izy, Miaraka amin\u2019ny vakim-bilany hafa eo amin\u2019ny tany. Ny tanimanga ve dia hilaza amin\u2019ny Mpanefy hoe: \u201cFa inona koa ity amboarinao?\u201d Ary ny zavatra namboarinao ve dia hiteny hoe: \u201cTsy manan-tanana ianao\u201d?",
        "10": "Hahita loza izay milaza amin\u2019ny rainy hoe: \u201cInona ity naterakao?\u201d, Sy miteny amin\u2019ny reniny hoe: \u201cFa miteraka inona koa ity\u00a0ianao?\u201d",
        "11": "Izao no tenin\u2019i Jehovah, Ilay Masin\u2019ny Israely sy Ilay namolavola azy: \u201cIanao ve dia hiady hevitra amiko momba ny zavatra hitranga, Ary hibaiko ahy ny amin\u2019izay tokony hataoko amin\u2019ny zanako sy ny asan\u2019ny tanako?",
        "12": "Nanao ny tany sy namorona ny olona eo amboniny aho. Namelatra ny lanitra tamin\u2019ny tanako aho, Ary manome baiko ny tafiny manontolo.\u201d",
        "13": "\u201cNampirisika lehilahy iray aho, satria manao ny rariny. Hataoko mahitsy ny lalany rehetra. Izy no hanorina ny tan\u00e0nako, Sy hanafaka ny vahoakako any an-tsesitany, nefa tsy hoe homena vola na tsolotra izy\u201d, hoy i Jehovah Tompon\u2019ny tafika.",
        "14": "Izao no tenin\u2019i Jehovah: \u201cHo tonga any aminao ka ho lasanao ny tombony azon\u2019i Ejipta, Sy ny entam-barotr\u2019i Etiopia, ary ny Sabeanina avo ranjanana. Handeha ao aorianao izy ireo, sady mifatotra rojo\u00a0vy. Ho tonga izy ireo ka hiankohoka eo anatrehanao. Hanaja anao izy ireo ka hiteny hoe: \u2018Manampy anao tokoa Andriamanitra. Tsy misy ankoatra azy, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy izy.\u2019\u201d",
        "15": "Andriamanitra miafina tokoa ianao, Ry Andriamanitry ny Israely sy Mpamonjy!",
        "16": "Ho menatra sy ho afa-baraka daholo izy ireo. Handeha sady ho afa-baraka daholo ny mpanamboatra sampy.",
        "17": "Fa hovonjen\u2019i Jehovah mandrakizay kosa ianareo ry\u00a0Israely. Tsy ho menatra na ho afa-baraka ianareo mandrakizay.",
        "18": "Fa izao no tenin\u2019i Jehovah, Ilay Mpamorona ny lanitra, Ilay tena Andriamanitra, Ilay namolavola ny tany sady Mpanao azy ka nanao azy ho mafy\u00a0orina, Ary tsy hoe tsy misy antony ny namoronany azy fa nataony honenana: \u201cIzaho no Jehovah, ary tsy misy hafa.",
        "19": "Tsy tao amin\u2019ny toerana miafina tany amin\u2019ny tanin\u2019ny haizina aho no niteny. Tsy niteny tamin\u2019ny taranak\u2019i Jakoba aho hoe: \u2018Mitadiava ahy, nefa ho very\u00a0maina izany ezaka ataonareo izany.\u2019 Izaho no Jehovah, ary milaza ny marina sy miteny izay mahitsy aho.",
        "20": "Mivoria ka avia! Manat\u00f2na daholo ianareo afa-nandositra avy any amin\u2019ireo firenena. Tsy mahafantatra na inona na inona ireo mitondra sary\u00a0sokitra mandehandeha, Sy mivavaka amin\u2019andriamanitra tsy mahavonjy azy.",
        "21": "Manaova tatitra ka resaho ny adinareo, Dia avelao izy ireo hiara-mikaon-doha. Iza no efa nilaza an\u2019izany taloha ela\u00a0be, Sy niteny an\u2019izany efa hatry ny ela\u00a0be? Tsy izaho Jehovah\u00a0ve? Tsy misy Andriamanitra afa-tsy izaho. Tsy misy Andriamanitra manao ny rariny sy Mpamonjy ankoatra ahy.",
        "22": "Mitadiava ahy, dia ho voavonjy ianareo rehetra any amin\u2019ny faran\u2019ny tany, Fa izaho no Andriamanitra, ary tsy misy hafa.",
        "23": "Nianiana tamin\u2019ny tenako aho, Ary marina ny teny navoakan\u2019ny vavako, Ka tsy maintsy ho tanteraka: Handohalika eo anatrehako ny olona rehetra, Ary hianiana amiko hoe tsy hivadika.",
        "24": "Hilaza koa izy ireo hoe: \u2018Manao ny rariny sy mahery foana i Jehovah. Ho tonga eo anatrehany sady ho menatra izay rehetra tezitra aminy.",
        "25": "Ho tsapan\u2019ny taranak\u2019Israely rehetra fa nety ny nanompo an\u2019i Jehovah, Ary izy no ho reharehan\u2019izy ireo.\u2019\u201d"
    },
    "46": {
        "1": "Miondrika i Bela, ary miforitra i Nebo. Ataingina eo ambony biby ny sampiny, eo ambony biby mpitondra entana, Hoatran\u2019ny entana manavesatra biby efa reraka.",
        "2": "Hiaraka hiforitra sy hiondrika daholo izy ireo. Tsy mahavonjy an\u2019ilay enta-mavesatra izy ireo, Ary lasa babo.",
        "3": "\u201cHenoy aho, ry taranak\u2019i Jakoba, sy ianareo rehetra sisa amin\u2019ny taranak\u2019i Israely, Dia ianareo izay nampiako hatramin\u2019ianareo vao teraka, sady nentiko hatrany an-kibo.",
        "4": "Tsy hiova aho mandra-pahantitrareo, Ary hanohana anareo foana mandra-pahafotsin\u2019ny volonareo. Hitondra anareo sy hanohana anareo aho ary hamonjy anareo, hoatran\u2019ny efa fanaoko.",
        "5": "Hampitovinareo amin\u2019iza aho, ary hampitahainareo amin\u2019iza, Mba hahitana raha mitovy izahay?",
        "6": "Misy olona mandraraka volamena be dia\u00a0be avy ao amin\u2019ny kitapom-bolany, Dia mandanja volafotsy amin\u2019ny mizana. Manakarama mpanefy izy ireo, ka amboariny ho lasa andriamanitra ilay volafotsy. Dia miondrika izy ireo, ary mivavaka aminy.",
        "7": "Ingain\u2019izy ireo ho eo an-tsorony ilay sampy, Dia entiny sy apetrany eo amin\u2019ny toerany ka mijanona eo fotsiny. Tsy mihetsika eo amin\u2019ny toerany ilay izy. Dia mitaraina aminy izy ireo, nefa tsy mamaly izy, Satria tsy afaka mamonjy na iza na iza amin\u2019ny fahoriana.",
        "8": "Tadidio izany, ary man\u00e0na herim-po. Raiso ao am-ponareo izany, ry\u00a0mpandika lal\u00e0na.",
        "9": "Tadidio izay nitranga taloha ela\u00a0be, Ka tadidio hoe izaho no Andriamanitra, ary tsy misy ankoatra ahy. Izaho no Andriamanitra, ary tsy misy mitovy amiko.",
        "10": "Efa nolazaiko hatramin\u2019ny voalohany ny zavatra hitranga amin\u2019ny farany, Ary efa nolazaiko hatry ny ela ny zavatra mbola tsy natao. Hoy aho: \u2018Tsy hiova ny fanapahan-kevitro, Ary hataoko ny sitrapoko rehetra.\u2019",
        "11": "Hantsoiko avy any amin\u2019ny fiposahan\u2019ny masoandro ny vorona iray mpihaza, Ary hantsoiko avy any an-tany lavitra ilay olona hanatanteraka ny fanapahan-kevitro. Efa niteny aho ka hotanterahiko ny teniko. Efa nokasaiko izany ka hataoko.",
        "12": "Henoy aho, ry mafy loha, Dia ianareo izay lavitra ny fahamarinana.",
        "13": "Nataoko akaiky ny fahamarinako, Ka tsy lavitra ilay izy. Tsy ho tara ny famonjena hataoko. Hovonjeko i Ziona, ary homeko amin\u2019ny voninahitro ny Israely.\u201d"
    },
    "47": {
        "1": "Mid\u00ecna ambany ka mipetraha amin\u2019ny vovoka, Ry Babylona zanakavavy virjiny\u00a0\u00f4! Mipetraha amin\u2019ny tany, eo amin\u2019izay tsy misy seza fiandrianana, Ry zanakavavin\u2019ny Kaldeanina\u00a0\u00f4! Tsy hantsoin\u2019ny olona intsony hoe miaingitraingitra sy ampihantaina mantsy ianao.",
        "2": "Mak\u00e0 vato fikosoham-bary ka mitotoa koba. Esory ny voalinao. Akaro ny akanjonao dia asehoy ny\u00a0fe, Ary miampit\u00e0 ny renirano.",
        "3": "Haseho ny fitanjahanao, Ary hatao miharihary ny faritra mahamenatra amin\u2019ny vatanao. Hamaly faty aho, ka tsy hisy hahasakana ahy.",
        "4": "\u201cIlay Masin\u2019ny Israely No Mpanavotra antsika. Jehovah Tompon\u2019ny tafika no anarany.\u201d",
        "5": "Mipetraha eo ianao ary mang\u00ecna, ka mijan\u00f2na ao amin\u2019ny haizina, Ry zanakavavin\u2019ny Kaldeanina\u00a0\u00f4! Tsy hantsoin\u2019ny olona intsony hoe Tompovavin\u2019ireo Fanjakana ianao.",
        "6": "Tezitra tamin\u2019ny vahoakako aho. Nataoko tsinontsinona ny lovako, Ka navelako ho resinao. Tsy niantra azy ireo mihitsy anefa ianao, Fa na ny zokiolona aza nampitondrainao zioga mavesatra\u00a0be.",
        "7": "Hoy ianao: \u201cHo Tompovavy foana aho mandrakizay.\u201d Tsy noraisinao am-po ireny zavatra nataonao ireny, Ary tsy nosaintsaininao izay hiafarany.",
        "8": "Henoy izao, ry ilay tia fahafinaretana, Dia ilay mipetraka tsy manana ahiahy, sy manao anakampo hoe: \u201cIzaho no izy, ary tsy misy hafa. Tsy ho lasa mpitondratena aho, Ary tsy mba hiaina an\u2019izany hoe maty zanaka izany mihitsy.\u201d",
        "9": "Hanjo anao tampoka ao anatin\u2019ny indray andro anefa ireto zavatra roa ireto: Ho faty ny zanakao, ary ho lasa mpitondratena ianao. Tena hanjo anao daholo izany, Satria ianao mampiasa ody be dia be sy famosaviana mahery.",
        "10": "Nitoky tamin\u2019ny faharatsianao ianao. Dia hoy ianao: \u201cTsy misy mahita ahy.\u201d Ny fahendrenao sy ny fahalalanao no mahatonga anao ho diso lalana. Hoy koa ianao anakampo: \u201cIzaho no izy, ary tsy misy hafa.\u201d",
        "11": "Ho tratran\u2019ny loza anefa ianao, Ary tsy hisy hahasakana an\u2019izany ny ody ampiasainao. Ho tratran\u2019ny fahoriana ianao, ary tsy hahavita hisakana an\u2019izany. Hisy faharavana tampoka hanjo anao, dia zavatra mbola tsy niainanao mihitsy.",
        "12": "Tohizo foana \u00e0ry ny fampiasanao famosaviana sy ody be dia\u00a0be, Dia izay efa nisasaranao hatramin\u2019ianao mbola tanora. Sao mantsy ianao mba hahita soa amin\u2019izany, Ary sao ianao mba hahavita hampatahotra olona.",
        "13": "Lasa nankaleo anao ny mpanolo-tsaina be dia be eo aminao. Asaivo mitsangana hamonjy anao ireny izao, Dia ireo mivavaka amin\u2019ny lanitra, izay mandinika ny kintana, Ka mampahafantatra anao isaky ny tsinam-bolana Momba an\u2019izay hitranga aminao.",
        "14": "Hoatran\u2019ny vodivary izy ireo, Ka ho kilan\u2019ny afo. Tsy mahavonjy ny tenany tsy ho main\u2019ny lelafo izy ireo. Tsy vainafo natao hampahafana izany, Ary tsy afo natao hamindroana.",
        "15": "Ho toy izany \u00e0ry ireny mpilalao ody eo aminao ireny, Dia ireo niara-nisasatra taminao hatramin\u2019ianao mbola tanora. Hirenireny izy ireny, ka samy ho any amin\u2019izay alehany. Ary tsy hisy hamonjy ianao."
    },
    "48": {
        "1": "Henoy izao, ry taranak\u2019i Jakoba, Dia ianareo izay miantso ny tenanareo hoe Israely, Sy ianareo nipoitra avy tamin\u2019ny ranon\u2019i Joda. Dia ianareo mianiana amin\u2019ny anaran\u2019i Jehovah, Sady miantso an\u2019ilay Andriamanitry ny Israely, Nefa tsy manao an\u2019izany amin\u2019ny fo\u00a0madio sady tsy manao ny tsara.",
        "2": "Fa mihambo ho avy amin\u2019ilay tan\u00e0na masina ianareo, Ary mitady fanampiana any amin\u2019ny Andriamanitry ny Israely, Ilay manana anarana hoe Jehovah Tompon\u2019ny tafika.",
        "3": "\u201cEfa ela aho no nilaza taminao ny zavatra taloha. Ny vavako no niteny an\u2019ireny, Ary nampahafantariko ireny. Nanao zavatra tampoka aho, ka tanteraka ireny.",
        "4": "Fantatro mantsy fa mafy loha ianao. Vy ny hozatry ny hatokao ary varahina ny handrinao.",
        "5": "Efa ela aho no nilaza taminao ny zava-drehetra. Mbola tsy nitranga akory izany dia efa noteneniko anao, Sao mantsy ianao hiteny hoe: \u2018Ny sampiko no nanao an\u2019izany, Ny sary sokitra sy ny sarivongana metaly nataoko no nandidy an\u2019izany.\u2019",
        "6": "Efa henonao sy hitanao daholo izany, Dia tsy horesahinao ve? Hilaza zava-baovao aminao aho manomboka izao, Dia tsiambaratelo nafenina ka mbola tsy fantatrao mihitsy.",
        "7": "Vao izao izany vao misy fa tsy hoe efa taloha, Dia zavatra mbola tsy henonao mihitsy talohan\u2019ny androany, Sao ianao hiteny hoe: \u2018Efa fantatro izany.\u2019",
        "8": "Tena mbola tsy henonao izany sady tsy fantatrao, Ary taloha dia tsy nisokatra ny sofinao. Fantatro mantsy fa tena mpivadika ianao, Sady efa hatramin\u2019ny vao teraka ianao no nantsoina hoe mpandika lal\u00e0na.",
        "9": "Hifehy ny hatezerako anefa aho noho ny anarako, Hifehy tena aho mba hahazoako fiderana, Ka tsy horinganiko ianao.",
        "10": "Nodioviko ianao, nefa tsy nataoko hoatran\u2019ny manadio volafotsy. Nosedraiko tao anatin\u2019ny fatana fandrendrehana ianao, izany hoe tao anatin\u2019ny fahoriana.",
        "11": "Hanao zavatra aho noho ny amiko. Fa nahoana no havelako hozimbazimbaina ny anarako? Tsy homeko an\u2019iza na iza ny voninahitro.",
        "12": "Henoy aho, ry Jakoba sy Israely, izay nantsoiko! Tsy miova Aho, fa izaho no voalohany, ary izaho no farany.",
        "13": "Ny tanako no nametraka ny fototry ny tany, Ary ny tanako ankavanana no namelatra ny lanitra. Rehefa antsoiko izy ireo dia mitsangana daholo.",
        "14": "Mivoria ianareo rehetra, ka mihainoa! Iza amin\u2019izy ireo no nilaza an\u2019izany zavatra izany? Tian\u2019i Jehovah izy. Izy no hanatanteraka an\u2019izay tian\u2019Andriamanitra hatao amin\u2019i Babylona, Ary ny sandriny no hamely ny Kaldeanina.",
        "15": "Izaho no nilaza an\u2019izany, ary izaho no niantso azy. Izaho no nitondra azy, ary hahomby izay ataony.",
        "16": "Manat\u00f2na ahy, dia henoy izao: Efa hatramin\u2019ny voalohany mihitsy aho no tsy niafinafina rehefa niteny. Efa teo aho hatramin\u2019ny fotoana nitrangan\u2019izany.\u201d Dia nirahin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony izaho sy ny fanahiny.",
        "17": "Izao no tenin\u2019i Jehovah Mpanavotra anao, Ilay Masin\u2019ny Israely: \u201cIzaho Jehovah no Andriamanitrao, Ilay mampianatra anao mba hahitanao soa, Ilay mitarika anao any amin\u2019izay lalana tokony halehanao.",
        "18": "Raha mba mankat\u00f2 ny didiko mantsy ianao, Dia ho lasa toy ny renirano ny fiadananao Ary ho lasa hoatran\u2019ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao!",
        "19": "Ho be dia be hoatran\u2019ny fasika ny taranakao, Ary ho maro be hoatran\u2019ny vovo-pasika. Tsy hovonoina na hofafana eo anatrehako mihitsy ny anaran\u2019izy ireo.\u201d",
        "20": "Mivoaha avy ao Babylona! Andosiro ny Kaldeanina! Lazao sy ambarao amin\u2019ny olona izany sady mifalia. Ataovy fantatry ny olona hatrany amin\u2019ny faran\u2019ny tany izany, Dia teneno hoe: \u201cNavotan\u2019i Jehovah i Jakoba mpanompony.",
        "21": "Tsy nangetaheta mihitsy izy ireo, tamin\u2019izy nitarika azy ireo namakivaky tany ngazana. Nataony namoaka rano ny vatolampy mba hosotroin\u2019izy ireo, Ary nataony nitresaka ny vatolampy mba hisy rano hiboiboika\u00a0be.\u201d",
        "22": "\u201cTsy misy fiadanana ho an\u2019ny ratsy fanahy\u201d, hoy i Jehovah."
    },
    "49": {
        "1": "Henoy aho, ry nosy! Mihainoa tsara, ry firenena any lavitra\u00a0be! Mbola tsy teraka aho dia efa niantso ahy i Jehovah. Mbola tany an-kibon-dreniko aho, dia efa notononiny ny anarako.",
        "2": "Nataony hoatran\u2019ny sabatra maranitra ny vavako. Nafeniny teo ambany aloky ny tanany aho. Nataony lasa zana-tsip\u00ecka maranitra aho, Ary nafeniny tao amin\u2019ny tranon-jana-tsip\u00eckany.",
        "3": "Hoy izy tamiko: \u201cMpanompoko ianao, ry\u00a0Israely, Ary amin\u2019ny alalanao no hampisehoako ny voninahitro.\u201d",
        "4": "Fa hoy kosa aho: \u201cVery maina fotsiny ny asa mafy nataoko. Zavatra tsisy dikany no nandaniako ny heriko ka reraka fotsiny aho. I Jehovah anefa no tena hitsara ahy, Ary ny Andriamanitro no hanome ny karamako.\u201d",
        "5": "I Jehovah no namolavola ahy tao an-kibo mba ho lasa mpanompony. Izy ilay niteny hoe tokony hampiverina an\u2019i Jakoba aminy aho, Amin\u2019izay dia ho tafangona any aminy indray i Israely. Dia hahazo voninahitra eo imason\u2019i Jehovah aho, Ary ilay Andriamanitro no ho heriko.",
        "6": "Ary hoy izy: \u201cTsy hoe mpanompoko fotsiny ianao, Ka hampitsangana ny fokon\u2019i Jakoba, Sy hampiverina an\u2019izay Israelita narovana tsy ho faty. Fa nomeko ho fahazavan\u2019ny hafa firenena koa ianao, Mba ho tonga hatrany amin\u2019ny faran\u2019ny tany ny famonjeko.\u201d",
        "7": "Izao no tenin\u2019i Jehovah, ilay Mpanavotra ny Israely sy Ilay Masin\u2019ny Israely, amin\u2019ilay ankahalaina, dia ilay tsy tian\u2019ny firenena sady mpanompon\u2019ny mpitondra: \u201cHitsangana ny mpanjaka noho ny zavatra hitan\u2019izy ireo, Ary ny andriana koa hiankohoka. Hanao an\u2019izany izy ireo satria mendri-pitokisana i Jehovah, Ilay Masin\u2019ny Israely nifidy anao.\u201d",
        "8": "Izao no tenin\u2019i Jehovah: \u201cTamin\u2019ny fotoana fanehoana fankasitrahana aho no namaly anao, Ary tamin\u2019ny andro famonjena aho no nanampy anao. Narovako foana ianao mba hataoko antoka ho an\u2019ny vahoaka, Mba hamerenana an\u2019ilay tany amin\u2019ny laoniny, Ka ho azon\u2019izy ireo indray ny lovany.",
        "9": "Dia hotenenina ny voafonja hoe: \u2018Mivoaha!\u2019, Ary izay ao anaty haizina hoe: \u2018Misehoa!\u2019 Izay hitany eny an-dalana no hohaniny, Ary eny amoron\u2019ny lala-masaka rehetra eny izy ireo no hiraoka ahitra.",
        "10": "Tsy ho noana na hangetaheta izy ireo, Ary tsy hodanihin\u2019ny hafanana na ny masoandro. Fa hitari-dalana azy Ilay mamindra\u00a0fo aminy, Ka hitarika azy ho eny amin\u2019ny loharano.",
        "11": "Hataoko lalana ny tendrombohitro rehetra, Ary hampiakariko ambony ny lalambeko rehetra.",
        "12": "Tonga avy any lavitra\u00a0be izy ireo, Ka ny sasany avy any avaratra sy avy any andrefana, Dia ny sasany avy any Sinima.\u201d",
        "13": "Mihobia, ry lanitra, ary mifalia, ry\u00a0tany! Aoka hifalifaly ny tendrombohitra sady hihoby. Mampionona ny vahoakany mantsy i Jehovah, Sady mamindra fo amin\u2019izay mpanompony mijaly.",
        "14": "Niteny foana anefa i Ziona hoe: \u201cEfa nahafoy ahy i Jehovah. Efa nanadino ahy i Jehovah.\u201d",
        "15": "Misy vehivavy manadino ny zanany mbola minono\u00a0ve, Na tsy mangoraka an\u2019ilay zanany naterany? Na manadino aza ireny vehivavy ireny, dia izaho indray tsy mba hanadino anao mihitsy.",
        "16": "Nosoratako teo amin\u2019ny felatanako ny anaranao. Eo anatrehako foana ny mandanao.",
        "17": "Miverina haingana ny zanakao, Ary hiala aminao izay nandrodana sy nandrava anao.",
        "18": "Mitrak\u00e0 dia jereo daholo ny manodidina anao. Jereo fa mitangorona izy rehetra, Dia manatona anao. \u201cRaha mbola velona koa aho\u201d, hoy i Jehovah, \u201cDia hanaovanao hoatran\u2019ny haingo izy rehetra, Ka hafatotrao amin\u2019ny vatanao hoatran\u2019ny ataon\u2019ny vehivavy ampakarina.",
        "19": "Na dia ravarava sy tsy misy mponina intsony aza ny toerana nisy anao, ary simba ny taninao, Dia ho lasa tery loatra izany ka tsy ho antonona an\u2019izay hipetraka ao, Ary ho lavitra\u00a0be anao izay nandrapaka anao.",
        "20": "Ary na ireo zaza teraka taorian\u2019ny nahafatesan\u2019ny zanakao aza dia hiteny aminao hoe: \u2018Tery loatra ity toerana ity ka tsy antonona anay. Omeo toerana malalaka eto izahay hipetrahanay.\u2019",
        "21": "Dia hiteny anakampo ianao hoe: \u2018Mba iza \u00e0ry no rain\u2019ireto zaza ireto, ka nanome ahy an\u2019ireto? Izaho ange vehivavy maty\u00a0anaka sy momba\u00a0e! Dia izaho koa natao sesitany sady nogadraina. Dia iza no nitaiza an\u2019ireto? Na izaho aza nilaozan\u2019ny olona irery tany, Dia avy aiza izany ireto?\u2019\u201d",
        "22": "Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u201cHatsangako ny tanako mba ho hitan\u2019ny firenena, Ary hatsangako ny tsato-kazo famantarana mba ho hitan\u2019ny vahoaka. Dia hotrotroin\u2019izy ireo ny zanakao lahy, Ary hataony antsangory ny zanakao vavy.",
        "23": "Mpanjaka no ho lasa mpitaiza anao, Ary ny andriambaviny no ho mpampinono anao. Hiankohoka amin\u2019ny tany eo anatrehanao izy ireo, Sady hilelaka ny vovoka amin\u2019ny tongotrao. Dia ho fantatrao fa izaho no Jehovah, Ary tsy ho afa-baraka mihitsy izay manantena ahy.\u201d",
        "24": "Mbola azo alaina eny an-tanan\u2019ny lehilahy matanjaka ve ny olona efa lasany? Mbola azo avotana ve izay nataon\u2019ny mpitondra jadona babo?",
        "25": "Izao anefa no tenin\u2019i Jehovah: \u201cMbola halaina na dia izay efa nataon\u2019ny lehilahy matanjaka babo aza, Ary mbola havotana izay nosamborin\u2019ny mpitondra jadona. Hotoheriko izay manohitra anao, Ary hovonjeko ny zanakao.",
        "26": "Hampihinaniko ny nofony ihany izay rehetra mampijaly anao, Ary hataoko mamon\u2019ny rany ihany izy ireo, hoatran\u2019ny hoe mamon\u2019ny divay mamy. Dia ho fantatry ny olona rehetra fa izaho no Jehovah, Ilay Mpamonjy anao sy Mpanavotra anao, Ary izaho Ilay Maherin\u2019i Jakoba.\u201d"
    },
    "50": {
        "1": "Izao no tenin\u2019i Jehovah: \u201cIzaho angaha nanome taratasy fisaraham-panambadiana ho an\u2019ny reninareo, tamin\u2019izy noroahiko? Iza tamin\u2019ireo tokony handoavako trosa no nivarotako anareo? Nanao fahadisoana ange ianareo dia izany no antony nivarotana anareo\u00a0e! Ary nanota ianareo dia noroahina ny reninareo.",
        "2": "Nahoana \u00e0ry no tsy nisy olona teto rehefa tonga aho? Ary nahoana no tsy nisy namaly rehefa niantso aho? Angaha ny tanako fohy loatra ka tsy mahavita manavotra, Sa izaho tsy manan-kery hamonjena? Teneniko mafy fotsiny ny ranomasina dia ritra, Ary ovako ho tany efitra ny renirano. Matin\u2019ny hetaheta ny trondrony, Dia lo fa tsy misy rano.",
        "3": "Ampitafiako haizina ny lanitra, Ary rakofako lamba gony.\u201d",
        "4": "I Jehovah Tompo Fara Tampony efa nampianatra ny lelako hahay hiteny, Mba hahafantarako an\u2019izay tokony holazaina amin\u2019ny olona reraka. Mamoha ahy isa-maraina izy, Ka fohaziny ny sofiko mba hihaino hoatran\u2019ny olona ampianarina.",
        "5": "Nanokatra ny sofiko i Jehovah Tompo Fara Tampony. Dia izaho tsy mba nikomy, Na nivily lalana.",
        "6": "Natolotro tamin\u2019ny olona nikapoka ahy ny lamosiko, Ary ny takolako natolotro tamin\u2019ireo nanongotra ny volombavako. Ny tarehiko koa tsy mba nafeniko tamin\u2019ny olona nanala baraka sy nandrora ahy.",
        "7": "Hanampy ahy anefa i Jehovah Tompo Fara Tampony, Ka tsy ho menatra aho. Noho izany, dia tapa-kevitra ny ho hentitra aho, Ary fantatro fa tsy ho afa-baraka aho.",
        "8": "Akaiky ahy Ilay milaza hoe marina aho. Iza no afaka miampanga ahy? Aleo izahay hifanatrika. Iza no mitory ahy any amin\u2019ny fitsarana? Aleo izy hanatona ahy.",
        "9": "Hanampy ahy i Jehovah Tompo Fara Tampony. Iza no hilaza fa meloka aho? Ho lasa hoatran\u2019ny akanjo tonta izy rehetra, Ary hoatran\u2019ny akanjo lanin\u2019ny bibikely.",
        "10": "Iza aminareo no matahotra an\u2019i Jehovah Sy mihaino ny tenin\u2019ny mpanompony? Iza no nandeha tao anatin\u2019ny haizim-be tsy nisy hazavana? Asaivo mitoky amin\u2019ny anaran\u2019i Jehovah sy miantehitra amin\u2019ilay Andriamaniny izy.",
        "11": "\u201cIanareo rehetra izay mandrehitra\u00a0afo Sy mampisy pitik\u2019afo, Mandehana amin\u2019ny hazavan\u2019ny afonareo Sy eo amin\u2019ny pitik\u2019afo alefanareo. Dia izao no sazy hampihariko aminareo: Hiampatrampatra ao anatin\u2019ny fanaintainana faran\u2019izay mafy ianareo."
    },
    "51": {
        "1": "\u201cMihainoa ahy ianareo mitady ny fahamarinana, Dia ianareo mitady an\u2019i Jehovah! Jereo ilay vatolampy nanendahana anareo, Sy ilay lavaka nitrandrahana anareo.",
        "2": "Jereo i Abrahama rainareo, Sy Saraha izay niteraka anareo. Fa iray ihany izy tamin\u2019izy nantsoiko. Dia notahiko izy ka nataoko lasa be dia\u00a0be.",
        "3": "Fa hampionona an\u2019i Ziona i Jehovah. Hampiononiny daholo ny toerana ravarava ao. Dia hataony ho toa an\u2019i Edena ny tany efitra any, Ary ho toy ny zaridainan\u2019i Jehovah ny lemaka karakaina. Hiravoravo sy hifaly ny olona\u00a0ao, Ary hanao fisaorana sy hira kanto.",
        "4": "Henoy tsara aho, ry\u00a0vahoakako! Mihainoa ahy, ry fireneko! Fa hisy lal\u00e0na havoakako, Ary ny fampiharako ny rariny no hataoko manazava ny firenena.",
        "5": "Efa manakaiky ny fahamarinako. Efa ho tonga ny famonjena avy amiko, Ary ny sandriko no hitsara an\u2019ireo firenena. Izaho no hantenain\u2019ireo nosy, Ary ny sandriko no handrandrainy.",
        "6": "Mitrak\u00e0 dia jereo ny lanitra, Ary jereo ny tany eny ambany! Ho potipotika ny lanitra ka hiparitaka toy ny setroka. Ny tany indray ho lasa hoatran\u2019ny akanjo tonta, Ary ny mponina eo aminy ho faty toy ny moka. Ny famonjeko kosa haharitra mandrakizay, Ary ny fahamarinako tsy ho foana mihitsy.",
        "7": "Mihainoa ahy ianareo efa mahalala ny fahamarinana, Dia ianareo manana ny lal\u00e0ko ao am-ponareo. Aza matahotra ny esoeson\u2019ny olombelona mety maty, Ary aza mihorohoro satria hoe ambanimbaniny.",
        "8": "Fa hohanin\u2019ny bibikely ireny, hoatran\u2019ny fihinanany akanjo, Ary hohanin\u2019ny bibikely mpihinan-damba, hoatran\u2019ny fihinanany lamba volonondry. Ny fahamarinako kosa haharitra mandrakizay, Ary ny famonjeko haharitra hatrany amin\u2019ny taranaka fara\u00a0aman-dimby.\u201d",
        "9": "Mifohaza! Mifohaza! Mitafia hery, ry sandrin\u2019i Jehovah! Mifohaza toy ny tamin\u2019ny andro fahiny, toy ny tamin\u2019ny andron\u2019ireo taranaka taloha! Tsy ianao ve no namotipotika an\u2019i Rahaba, Sy nanatrobaka an\u2019ilay biby ngezabe any an-dranomasina?",
        "10": "Tsy ianao ve no nanao izay hahar\u00ectra ny ranomasina, dia ny rano lalina\u00a0be? Tsy ianao koa ve no nanao ny ranomasina lalina ho lalana hiampitan\u2019ireo navotana?",
        "11": "Hiverina ireo navotan\u2019i Jehovah. Hihoby izy ireo rehefa tonga ao Ziona, Ary hifaly foana ka ho toy ny satroboninahitra eny aminy ny fifaliany. Hiravoravo sy ho faly izy ireo, Dia handositra azy ny alahelo sy ny fisentoana.",
        "12": "\u201cIzaho Ilay mampionona anareo. Dia nahoana ianao no matahotra ny olombelona mety maty izay ho faty ihany, Sy ny zanak\u2019olombelona izay halazo hoatran\u2019ny ahitra?",
        "13": "Nahoana ianao no manadino an\u2019i Jehovah, ilay Mpanao anao, Ilay namelatra ny lanitra sy nametraka ny fototry ny tany? Tontolo andro ianao natahotra foana ny fahatezeran\u2019ilay nampijaly anao, Hoatran\u2019ny hoe ho afaka handringana anao izy. Dia aiza izao ny hatezeran\u2019ilay nampijaly anao?",
        "14": "Tsy ho ela dia hafahana ilay manjoko noho ny rojo\u00a0vy mamatotra azy, Dia tsy ho faty izy ka tsy ho latsaka any an-davaka, Ary tsy ho fatin\u2019ny mosary.",
        "15": "Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Ilay mampisamboaravoara ny ranomasina sy mampidoboka ny onjany. Jehovah Tompon\u2019ny tafika no anarako.",
        "16": "Hampitaiko aminao ny teny tiako holazainao, Ary hosaronako amin\u2019ny aloky ny tanako ianao. Amin\u2019izay dia hataoko eo amin\u2019ny toerany ny lanitra, ary hapetrako ny fototry ny tany, Dia hiteny amin\u2019i Ziona aho hoe: \u2018Vahoakako ianao.\u2019",
        "17": "Mifohaza! Mifohaza! Mitsang\u00e0na, ry\u00a0Jerosalema\u00a0\u00f4! Nisotro tamin\u2019ilay kaopy teny an-tanan\u2019i Jehovah ianao, dia ilay kaopy misy ny fahatezerany. Nosotroinao ny tao anatin\u2019ilay fisotroan-divay, Ary notaperinao tanteraka ny tao amin\u2019ilay kaopy mampivembena.",
        "18": "Tsy misy eo daholo ny zanakao mba hitari-dalana anao, Ary tsy nisy nitantana anao ny zanaka notezainao rehetra.",
        "19": "Nanjo anao ireto zavatra roa ireto: Ringana sady ravarava ianao, ary noana sady matin\u2019ny sabatra! Dia iza no hangoraka anao? Ary iza no hampionona anao?",
        "20": "Torana ny zanakao. Miampatrampatra eny an-joron-dalana rehetra eny izy ireo, Hoatran\u2019ny ondridia anaty harato. Anamparan\u2019i Jehovah ny hatezerany izy ireo, sady anarin\u2019ilay Andriamanitrao.\u201d",
        "21": "Mba henoy \u00e0ry izao, Ry vehivavy mijaly, izay mamo nefa tsy mamon-divay!",
        "22": "Izao no tenin\u2019i Jehovah Tomponao, ilay Andriamanitrao, izay miaro ny vahoakany: \u201cHalaiko eny an-tananao ilay kaopy mampivembena, Dia ilay kaopy misy ny fahatezerako. Tsy hisotro amin\u2019iny intsony ianao.",
        "23": "Hatolotro eny an-tanan\u2019ireo mampijaly anao ilay kaopy, Dia izay niteny taminao hoe: \u2018Miondreha amin\u2019ny tany mba handehananay.\u2019 Nataonao hoatran\u2019ny tany \u00e0ry ny lamosinao, Hoatran\u2019ny lalana handehanan\u2019izy ireo.\u201d"
    },
    "52": {
        "1": "Mifohaza, mifohaza, tafio ny herinao, ry\u00a0Ziona\u00a0\u00f4! Anaovy ny akanjonao tsara tarehy, ry\u00a0Jerosalema tan\u00e0na masina\u00a0\u00f4! Fa tsy hiditra ao aminao intsony ny tsy mifora sy ny tsy madio.",
        "2": "Ahintsano ny vovoka, ry\u00a0Jerosalema\u00a0\u00f4, dia miarena ka mipetraha! Vahao ny tady mamatotra ny vozonao, ry\u00a0Ziona zanakavavy nentina ho babo.",
        "3": "Fa izao no tenin\u2019i Jehovah: \u201cNamidy maimaim-poana ianareo, Ka tsy hisy vola haloa koa rehefa avotana ianareo.\u201d",
        "4": "Izao mantsy no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u201cTamin\u2019ny voalohany, dia nidina tany Ejipta ny vahoakako mba hivahiny tany, Dia avy eo nampijalin\u2019i Asyria tsy amin\u2019antony.\u201d",
        "5": "\u201cInona \u00e0ry no tokony hataoko?\u201d hoy i Jehovah. \u201cFa nalaina maimaim-poana ny vahoakako. Mihorakoraka foana ireo manjaka amin\u2019izy ireo fa nandresy\u201d, hoy i Jehovah. \u201cTsy hajain\u2019ny olona mihitsy ny anarako, tontolo andro.",
        "6": "Ho fantatry ny vahoakako \u00e0ry ny anarako. Dia ho fantany koa amin\u2019izany andro izany fa izaho Ilay miteny. Izaho mihitsy no miteny!\u201d",
        "7": "Tsara tarehy er\u1ef3 ny tongotr\u2019ilay mitondra vaovao tsara mandeha eny an-tendrombohitra, Ilay mitory fiadanana, Ilay mitondra vaovao tsara momba ny zavatra tsara kokoa, Ilay mitory momba ny famonjena, Dia ilay miteny amin\u2019i Ziona hoe: \u201cLasa Mpanjaka ny Andriamanitrao!\u201d",
        "8": "Izany fa miantsoantso mafy ny mpitilinao! Miara-mihoby izy ireo, Satria ho hitan\u2019izy ireo tsara ny hamerenan\u2019i Jehovah an\u2019i Ziona amin\u2019ny laoniny.",
        "9": "Mifalia, ry toerana rava ao Jerosalema, dia miaraha mihoby! Nampionona ny vahoakany mantsy i Jehovah, sady nanavotra an\u2019i Jerosalema.",
        "10": "Nataon\u2019i Jehovah hitan\u2019ny firenena rehetra ny sandriny masina, Ary ho hitan\u2019ny vazan-tany efatra ny zavatra nataon\u2019ilay Andriamanitsika mba hamonjena ny vahoakany.",
        "11": "Ianareo izay mitondra ny fitaovan\u2019i Jehovah, Mial\u00e0, mial\u00e0, mivoaha avy\u00a0ao, ary aza mikasika an\u2019izay maloto! Mivoaha avy ao aminy, ary miezaha hadio foana.",
        "12": "Fa tsy hisahotaka ianareo rehefa miala avy\u00a0ao, Sady tsy voatery handositra. Handeha eo alohanareo mantsy i Jehovah, Ary ilay Andriamanitry ny Israely no ho vodilaharana mpiaro anareo.",
        "13": "Ho malina ny mpanompoko rehefa manao zavatra. Homena toerana ambony izy, Ary hasandratra ka homena voninahitra lehibe.",
        "14": "Betsaka no nidan\u00e0ka rehefa nahita azy. Nosimbana mihoatra noho ny endrik\u2019olon-kafa rehetra mantsy ny endriny, Ary nosimbana mihoatra noho ny an\u2019ny olombelona ny bikany.",
        "15": "Dia hoatr\u2019izany koa fa hataony izay hahagaga firenena be dia\u00a0be. Hitampim-bava eo anatrehany ireo mpanjaka, Satria zavatra mbola tsy notantaraina tamin\u2019izy ireo no ho hitany, Ary zavatra mbola tsy henony no hodinihiny."
    },
    "53": {
        "1": "Iza no mba nino ny zavatra henony taminay? Ary iza no nampisehoan\u2019i Jehovah ny sandriny?",
        "2": "Hitsiry toy ny rantsankazo eo anatrehany izy, hoatran\u2019ny faka maniry eny amin\u2019ny tany karakaina. Tsy mba hoatran\u2019ny olo-manan-kaja no fahitana azy, sady tsy manana voninahitra izy. Tsy mba voasarika hanatona azy izahay rehefa mahita ny bika aman\u2019endriny.",
        "3": "Natao tsinontsinona sy nihatakatahan\u2019ny olona izy, Ary lehilahy nahalala fanaintainana, sady nahafantatra tsara ny atao hoe aretina. Hoatran\u2019ny hoe nafenina anay ny endriny. Natao tsinontsinona izy, ary noheverinay ho tsy misy dikany.",
        "4": "Nitondra ny aretinay tokoa izy, Ary nizaka ny fanaintainanay. Nihevitra anefa izahay hoe voaozona izy, ka nokapohin\u2019Andriamanitra sy nampijalina.",
        "5": "Notrobarana noho ny helokay anefa izy, Ary natao torotoro noho ny fahadisoanay. Izy no niharan\u2019ny sazy mba hahafahanay hihavana amin\u2019Andriamanitra, Ary ny ratrany no nahatonga anay ho sitrana.",
        "6": "Nirenireny toy ny ondry izahay rehetra, Ka samy nivily nanaraka ny lalanay\u00a0avy. Ary nampitondrain\u2019i Jehovah azy ny fahadisoanay rehetra.",
        "7": "Nampijalina sy nanaiky hampahorina izy, Nefa tsy mba niteny mihitsy. Nentina hoatran\u2019ny ondry hovonoina izy, Hoatran\u2019ny ondrivavy mangina eo anatrehan\u2019ny mpanety azy, Ka tsy niteny mihitsy.",
        "8": "Noho ny fampahoriana sy ny fitsarana, dia nesorina ny ainy. Iza no handinika ny tsipiriany momba ny taranaka nipoirany? Nesorina hiala tamin\u2019ny tanin\u2019ny velona izy. Nokapohina koa izy noho ny heloky ny vahoakako.",
        "9": "Nomena fasana niaraka tamin\u2019ny ratsy fanahy izy, Ary niaraka nalevina tamin\u2019ny mpanankarena izy rehefa maty, Na dia tsy nanao ratsy mihitsy\u00a0aza Sady tsy nisy fitaka teo am-bavany.",
        "10": "Sitrapon\u2019i Jehovah anefa ny hanorotoro azy, dia navelany hijaly izy. Raha atolotrao ho fanatitra noho ny heloka ny ainy, Dia hahita an\u2019izay ho taranany izy sady ho lava andro iainana. Izy koa no hanatanteraka an-tsakany sy an-davany an\u2019izay tian\u2019i Jehovah.",
        "11": "Niaritra ny mafy izy ka ho afa-po amin\u2019izay hitany. Efa mahalala zavatra betsaka ny mpanompoko, dia ilay olo-marina, Ka hanampy olona be dia\u00a0be ho lasa olo-marina. Hozakainy koa ny fahadisoan\u2019izy ireo.",
        "12": "Noho izany, dia homeko anjara miaraka amin\u2019ny maro izy, Ka hifampizara babo miaraka amin\u2019ny mahery. Fa nanome ny ainy izy ka maty mihitsy, Ary natao ho anisan\u2019ny mpandika lal\u00e0na. Nitondra ny fahotan\u2019ny olona maro koa izy, Sady nanelanelana mba hahasoa an\u2019ireo mpandika lal\u00e0na."
    },
    "54": {
        "1": "\u201cMihobia, ry vehivavy momba izay tsy niteraka! Mifalia sy mihobia ianao izay tsy mba narary nihetsi-jaza mihitsy! Fa ny zanaky ny vehivavy nilaozam-bady, Dia betsaka noho ny zanaky ny vehivavy manambady\u201d, hoy i Jehovah.",
        "2": "\u201cHalalaho ny tranolainao, Ary henjano ny lamban\u2019ny tranolainao be\u00a0voninahitra. Aza mihafihafy mihitsy rehefa manao an\u2019izany, ary halavao ny tady manenjana ny lainao. Hamafiso koa ny fantsika\u00a0be fanenjanan-day.",
        "3": "Fa hiparitaka hiankavanana sy hiankavia ianao, Ary ho lasan\u2019ny taranakao ireo firenena. Hipetrahan\u2019izy ireo koa ny tan\u00e0na aolo.",
        "4": "Aza matahotra fa tsy ho menatra ianao. Aza mieritreritra hoe afa-baraka ianao, fa tsy ho diso fanantenana ianao. Hohadinoinao mantsy ny henatrao tamin\u2019ny fahatanoranao, Ary tsy hotsaroanao intsony ilay ianao afa-baraka satria hoe maty vady.\u201d",
        "5": "\u201cIlay Be\u00a0Voninahitra Mpanao anao mantsy no vadinao, Ary Jehovah Tompon\u2019ny tafika no anarany. Ilay Masin\u2019ny Israely no Mpanavotra anao, Ary hantsoina hoe Andriamanitry ny tany manontolo izy.",
        "6": "Fa nampodin\u2019i Jehovah ianao, izay toy ny vehivavy nilaozan\u2019ny vadiny sy nalahelo\u00a0be, Hoatran\u2019ny vehivavy nalaina ho vady tamin\u2019izy tanora nefa nariana tat\u1ef3 aoriana\u201d, hoy ilay Andriamanitrao.",
        "7": "\u201cFa vetivety ihany aho no nahafoy anao. Be famindram-po anefa aho ka hampody anao.",
        "8": "Tezitra be taminao aho, ka nafeniko vetivety ny tarehiko mba tsy ho hitanao. Tia anao sy tsy mivadika aminao mandrakizay anefa aho ka hamindra\u00a0fo aminao\u201d, hoy i Jehovah, ilay Mpanavotra anao.",
        "9": "\u201cAmiko dia toy ny tamin\u2019ny andron\u2019i Noa izao. Efa nianiana aho hoe tsy ho safotry ny rano toy ny tamin\u2019ny andron\u2019i Noa intsony ny tany, Dia hoatr\u2019izany koa fa mianiana aho hoe tsy ho tezitra aminao intsony na hiteny mafy anao.",
        "10": "Fa na hesorina aza ny tendrombohitra, Ary na hihozongozona aza ny havoana, Dia mbola ho tia anao sy tsy hivadika aminao aho, Ary tsy ho rava ny fifanekem-pihavanana ataoko aminao\u201d, hoy i Jehovah, Ilay mamindra\u00a0fo aminao.",
        "11": "\u201cRy vehivavy mijaly sy asafotofoton\u2019ny rivo-mahery, sady tsy misy mampionona! Hampiasa rihitra mafy aho hanakambanako ireo vato eo aminao, Ary safira no hataoko fototrao.",
        "12": "Vatosoa robia no hanaovako ny tampon\u2019ny mandanao, Vatosoa mamirapiratra no hanaovako ny vavahadinao, Ary vatosoa sarobidy ny sisin-taninao rehetra.",
        "13": "Hampianarin\u2019i Jehovah ny zanakao rehetra, Ka ho be ny fiadanan\u2019ny zanakao.",
        "14": "Hiorina tsara amin\u2019ny fahamarinana ianao. Hesorina lavitra anao koa ny fampijaliana. Tsy hisy hatahoranao ary tsy hisy hampihorohoro anao, Satria tsy hanakaiky anao izany.",
        "15": "Raha misy manafika anao, Dia tsy noho ny baiko avy amiko izany. Ho resy izay manafika anao.\u201d",
        "16": "\u201cIzaho no namorona ny mpanao asa tanana, Izay mitsoka ny afon-tsaribao, Ka mahavita fitaovam-piadiana. Izaho koa no namorona an\u2019ilay mpandringana izay handravarava.",
        "17": "Tsy hisy hahomby izay fiadiana amboarina hamelezana anao, Ary homelohinao eo amin\u2019ny fitsarana ny lela rehetra miampanga anao. Izany no lovan\u2019ny mpanompon\u2019i Jehovah, Ary olo-marina izy ireo amiko\u201d, hoy i Jehovah."
    },
    "55": {
        "1": "Avia ianareo rehetra mangetaheta, avia misotro rano! Ianareo tsy manam-bola, avia, mividiana dia mihin\u00e0na! Avia mividy divay sy ronono tsy andoavam-bola sady tsy misy sarany.",
        "2": "Nahoana ianareo no mandany vola foana amin\u2019izay tsy sakafo? Nahoana ianareo no mandany ny karamanareo amin\u2019ny zavatra tsy mahavoky? Henoy tsara aho, dia mihin\u00e0na sakafo tena tsara, Dia amin\u2019izay ianareo tena hankafy sakafo matsiro\u00a0be.",
        "3": "Aoka ianareo hanongilan-tsofina dia mankanesa at\u1ef3 amiko. Mihainoa, dia ho velona ianareo. Fa vonona hanao fifanekena mandrakizay aminareo aho, Araka izay nampanantenaiko an\u2019i Davida hoe ho tia azy aho sady tsy hivadika aminy. Azo itokisana izany fampanantenana izany.",
        "4": "Nataoko vavolombelona eo amin\u2019ireo firenena izy, Sady mpitarika sy mpitondra an\u2019ireo firenena.",
        "5": "Firenena tsy fantatrao no hantsoinao, Ary olona avy amin\u2019ny firenena tsy mahafantatra anao no hihazakazaka hankany aminao, Noho ny amin\u2019i Jehovah Andriamanitrao, dia Ilay Masin\u2019ny Israely. Homeny voninahitra mantsy ianao.",
        "6": "Mitadiava an\u2019i Jehovah, dieny mbola hita izy. Miantsoa azy, dieny mbola akaiky izy.",
        "7": "Aoka ny ratsy fanahy hiala amin\u2019ny ratsy fanaony, Ary ny mpanao ratsy tsy hieritreritra zava-dratsy intsony. Aoka izy hiverina amin\u2019i Jehovah, izay hamindra\u00a0fo aminy, Dia amin\u2019ilay Andriamanitsika, fa tena mamela heloka tanteraka izy.",
        "8": "\u201cNy fihevitro mantsy tsy mba fihevitrareo, Ary ny lalanareo tsy mba lalako\u201d, hoy i Jehovah.",
        "9": "\u201cFa hoatran\u2019ny haavon\u2019ny lanitra raha oharina amin\u2019ny tany, Ny haavon\u2019ny lalako raha oharina amin\u2019ny lalanareo, Sy ny fihevitro raha oharina amin\u2019ny fihevitrareo.",
        "10": "Fa toy ny orana sy ny lanezy milatsaka avy any an-danitra, Ka tsy miverina any raha tsy efa mahavonto ny tany, sy mahatonga ny zavamaniry hitsiry sy hamokatra, Ary manome masomboly ho an\u2019ny mpamafy sy sakafo ho an\u2019ny mpihinana,",
        "11": "Dia ho toy izany ny teny lazaiko. Tsy hiverim-potsiny at\u1ef3 amiko ny teniko, Fa tsy maintsy hanatanteraka an\u2019izay mahafinaritra ahy, Ary tsy maintsy ho vitany izay rehetra anirahako azy.",
        "12": "Ho falifaly mantsy ianareo rehefa handeha, Ary hiadana rehefa hoentina mody. Hifaly sy hihoby eo anatrehanareo ny tendrombohitra sy ny havoana, Dia hitehaka daholo ny hazo any an-tsaha.",
        "13": "Hazo zenevrie no haniry fa tsy kirihitra be\u00a0tsilotsilo, Ary hazo mirta fa tsy tsilo. Hampahalaza an\u2019i Jehovah izany, Ka ho famantarana mandrakizay tsy ho levona mihitsy.\u201d"
    },
    "56": {
        "1": "Izao no tenin\u2019i Jehovah: \u201cManaova foana ny rariny, ary manaova ny marina. Fa tsy ho ela aho dia hamonjy, Ary efa haharihary ny fahamarinako.",
        "2": "Sambatra ny olona manao an\u2019izany, Sy ny zanak\u2019olombelona mifikitra mafy amin\u2019izany, Sady mitandrina sy tsy manazimbazimba ny Sabata, Ary mifehy ny tanany tsy hanao ratsy mihitsy.",
        "3": "Izay hafa firenena miandany amin\u2019i Jehovah dia tsy tokony hiteny hoe: \u2018Tsy maintsy hesorin\u2019i Jehovah tsy ho anisan\u2019ny vahoakany aho izao.\u2019 Ny lehilahy novosirina koa tsy tokony hiteny hoe: \u2018Indrisy fa hazo maina aho!\u2019\u201d",
        "4": "Fa izao no tenin\u2019i Jehovah: \u201cIzay lehilahy novosirina ka mitandrina ny sabatako sy mifidy ny hanao izay sitrako ary mifikitra mafy amin\u2019ny fifanekena nataoko,",
        "5": "Dia homeko tsangambato sy anarana ao an-tranoko sy ao anatin\u2019ny mandako. Zavatra tsara kokoa noho ny zanakalahy sy zanakavavy izany. Anarana maharitra mandrakizay no homeko azy, Dia anarana tsy hofoanana mihitsy.",
        "6": "Izay hafa firenena miandany amin\u2019i Jehovah mba hanompo azy, Sy mba ho tia ny anaran\u2019i Jehovah, Ary mba ho mpanompony, Izay rehetra mitandrina ny Sabata ka tsy manazimbazimba azy, Sady mifikitra mafy amin\u2019ny fifanekena nataoko,",
        "7": "Dia hoentiko any amin\u2019ny tendrombohitro masina koa, Ary hampifaliko ao amin\u2019ny trano fivavahana amiko. Hekeko izay fanatitra dorana manontolo sy sorona ataony eo ambony alitarako. Fa ny tranoko hantsoina hoe trano fivavahana ho an\u2019ny olona rehetra.\u201d",
        "8": "Hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, izay manangona an\u2019ireo Israelita efa niparitaka: \u201cAnkoatra an\u2019izay efa voangona, dia hanangona olon-kafa ho eo amin\u2019izy ireo koa aho.\u201d",
        "9": "Tongava daholo ka mihin\u00e0na, ry\u00a0bibidia rehetra any an-tsaha, Dia ianareo bibidia rehetra any an\u2019ala.",
        "10": "Jamba ny mpitiliny, ka tsy misy mahatsikaritra an\u2019izay mety hitranga. Alika moana izy rehetra ka tsy mahavov\u00f2, Fa misefosefo fotsiny sy mitsilailay ary tia matoritory.",
        "11": "Alika mirangorango izy ireo, Sady tsy mety voky mihitsy. Mpiandry ondry tsy mahay na inona na inona koa izy ireo, Ary samy manaraka ny lalany avy. Samy te hahazo tombony azo tamin\u2019ny tsy rariny izy rehetra ka miteny hoe:",
        "12": "\u201cAvia, fa haka divay aho. Andao hisotro toaka mandra-pahamamo. Mbola ho toy ny androany ihany ny rahampitso, ary mbola ho tsara lavitra mihitsy aza.\u201d"
    },
    "57": {
        "1": "Maty ny olo-marina, Nefa tsy misy miraharaha an\u2019izany. Nindaosin\u2019ny fahafatesana koa ny olona tsy mivadika, Nefa tsy misy mahafantatra akory hoe maty ny olo-marina Satria tratran\u2019ny loza.",
        "2": "Mahita fiadanana izy. Miala sasatra eo amin\u2019ny farafara vato izay rehetra manao izay mahitsy.",
        "3": "\u201cIanareo kosa manat\u00f2na et\u1ef3, Ianareo zanaky ny vehivavy mpilalao ody, Dia ianareo zanaky ny mpanitsakitsa-bady sy vehivavy mpivaro-tena.",
        "4": "Maneso an\u2019iza ianareo? Manondro molotra sy mitranga lela amin\u2019iza ianareo? Ianareo angaha tsy zanaky ny fandikan-dal\u00e0na Sy zanaky ny fitaka,",
        "5": "Izay manaitra ny filany eny akaikin\u2019ireo hazobe Sy eny ambanin\u2019ny hazo midoroboka rehetra, Sady manao sorona ankizy eny amin\u2019ny lohasaha, Eny an-tsefatsefaky ny harambato?",
        "6": "Ny vato malama eny amin\u2019ny lohasaha no anjaranao. Ireny tokoa no anjaranao! Mandraraka fanatitra zava-pisotro amin\u2019izy ireny koa aza ianao sady manolotra fanomezana ho azy. Izany ve dia hahafaly ahy?",
        "7": "Teny amin\u2019ny tendrombohitra avo sy manerinerina ianao no nanamboatra ny fandriananao. Niakatra teny koa ianao mba hanao sorona.",
        "8": "Nametraka marika fahatsiarovana tao ambadiky ny varavarana sy tol\u00e0na ianao. Nilaozanao aho dia nesorinao ny akanjonao. Dia niakatra ianao ary nataonao malalaka ny fandriananao. Nanao fifanekena tamin\u2019ireny koa ianao. Tia niray fandriana tamin\u2019ireny ianao, Ary nibanjina ny filahiana.",
        "9": "Nidina nitondra menaka tany amin\u2019i Meleka ianao, Dia nitondra zava-manitra be dia\u00a0be. Nalefanao lavitra koa ny irakao, Ka lasa afaka nidina tany amin\u2019ny Fasana ianao.",
        "10": "Nandehandeha be ianao, dia izany no nandanianao ny herinao. Tsy mba niteny anefa ianao hoe: \u2018Tsy misy antenaina intsony!\u2019 Nahazo hery indray ianao, Ka tsy kivy.",
        "11": "Iza no nampihorohoro anao sy natahoranao, Ka nahatonga anao handainga? Tsy nahatsiaro ahy ianao, Ary tsy nisy na inona na inona nalatsakao tao am-ponao. Tsy efa nangina foana ve aho, ka tsy niteny? Na izaho aza anefa tsy mba natahoranao.",
        "12": "Hataoko fantatry ny rehetra izay mba lazainao hoe fahamarinanao sy asanao, Ary tsy hahasoa anao ireny.",
        "13": "Rehefa miantso vonjy ianao, Dia tsy hamonjy anao ny sampy nangoninao. Ho lasan\u2019ny rivotra daholo ireny, Sady fofonaina fotsiny dia hahavita hipaoka azy. Fa izay mialoka amiko kosa handova ny tany, Ary ho lasa fananany ny tendrombohitro masina.",
        "14": "Dia hisy hiteny hoe: \u2018Manamboara lalana! Manamboara lalana! Omano ny lalana! Esory ny sakantsakana rehetra eny amin\u2019ny lalan\u2019ny vahoakako.\u2019\u201d",
        "15": "Fa izao no tenin\u2019ilay Avo, dia Ilay Misandratra, Izay velona mandrakizay sady masina ny anarany: \u201cMipetraka any amin\u2019ny avo sy any amin\u2019ny toerana masina aho, Nefa koa eo amin\u2019izay torotoro\u00a0fo sy manetry tena, Satria te hanatanjaka ny sain\u2019izay manetry tena, Sy hanatanjaka ny fon\u2019izay torotoro\u00a0fo.",
        "16": "Fa tsy hiady aminy mandrakizay aho, Na ho tezitra foana. Fa ho reraka noho ny amiko ny sain\u2019ny olona, Ary ho reraka koa ny zavamananaina nataoko.",
        "17": "Tezitra aho satria nanota izy ka naka tombony tsy ara-drariny. Dia nosaziko izy, ka nafeniko azy ny tarehiko fa tezitra aho. Mbola nikomy foana anefa izy ka nanao an\u2019izay mahafinaritra ny fony.",
        "18": "Efa hitako ny nataony, Nefa hanasitrana azy aho sady hitarika azy. Dia hampiononiko indray izy sy izay misaona miaraka aminy.\u201d",
        "19": "\u201cIzaho no mamorona ny teny fiderana. Hampiadaniko foana izay lavitra sy akaiky\u201d, hoy i\u00a0Jehovah, \u201cAry hositraniko izy.\u201d",
        "20": "\u201cHoatran\u2019ny ranomasina misamboaravoara tsy mety mitony kosa ny ratsy fanahy, Ary mamoaka ahidranomasina sy fotaka ilay ranomasina.",
        "21": "Tsy misy fiadanana ho an\u2019ny ratsy fanahy\u201d, hoy ny Andriamanitro."
    },
    "58": {
        "1": "\u201cMiantsoantsoa faran\u2019izay mafy, fa aza miahotrahotra mihitsy. Ataovy mafy be hoatran\u2019ny feon\u2019anjombona ny feonao, Ka lazao amin\u2019ny vahoakako hoe nikomy izy ireo, Ary amin\u2019ny taranak\u2019i Jakoba hoe nanota izy ireo.",
        "2": "Mitady ahy isan\u2019andro, hono, izy ireo, Ary mahafinaritra azy ireo, hono, ny mahafantatra ny lalako. Hoatran\u2019ny hoe firenena nanao ny marina er\u1ef3 izy ireo, Ka tsy nahafoy ny didin\u2019ilay Andriamaniny! Dia mangataka ahy hitsara ara-drariny izy ireo, Fa mahafinaritra azy, hono, ny manatona an\u2019Andriamanitra. Hoy izy ireo:",
        "3": "\u2018Fa maninona no tsy jerenao izahay rehefa mifady hanina, Ary tsy raharahianao rehefa malahelo noho ny fahotanay?\u2019 Dia namaly aho hoe: \u2018Satria rehefa tonga ny andro ifadianareo hanina, dia izay mahafinaritra anareo ihany no ataonareo, Sady ampijalinareo koa izay miasa mafy ho anareo.",
        "4": "Miady sy mifanditra foana ianareo rehefa avy mifady hanina, Sady mifamely totohondry amin-kabibiana. Tsy afaka mifady hanina hoatr\u2019izao ataonareo izao ianareo, nefa avy eo manantena hoe hohenoiko any an-danitra ny feonareo.",
        "5": "Hoatr\u2019izao angaha ny fifadian-kanina tiako hataonareo: Mampahory tena hoatran\u2019ny amin\u2019ny andro fifadian-kanina, Dia miondrika toy ny harefo, Ary matory eo ambony gony sy lavenona? Izany ve no ataonareo hoe fifadian-kanina sy andro mahafaly an\u2019i Jehovah?",
        "6": "Hoatr\u2019izao kosa ny fifadian-kanina ekeko: Manala ny gadra\u00a0vy napetaka noho ny tsy rariny, Mamaha ny tadin\u2019ny zioga, Manafaka an\u2019izay nampijalina sy mamela azy handeha, Ary manapaka ny zioga rehetra.",
        "7": "Dia izao koa: Mizara ny mofonao amin\u2019ny noana, Sy mampiantrano ny mahantra sy ny tsy manan-kialofana, Mampitafy an\u2019izay hitanao hoe mitanjaka, Ary tsy manome lamosina ny rahalahinao.",
        "8": "Amin\u2019izay dia hamirapiratra toy ny amin\u2019ny maraina ny hazavanao, Ary ho sitrana haingana ianao. Handeha eo alohanao ny fahamarinanao, Ary ho vodilaharana mpiaro anao ny voninahitr\u2019i Jehovah.",
        "9": "Hiantso ianao dia hamaly i Jehovah. Hiantso vonjy ianao, dia hilaza izy hoe: \u2018Ahoana izay?\u2019 Raha esorinao ny zioga entin\u2019ny olona, Ary tsy tondrotondroinao amin\u2019ny rantsantananao intsony izy, sady tsy haratsiratsinao intsony,",
        "10": "Raha omenao an\u2019izay irinao koa ny noana, Sady ataonao afa-po izay mijaly, Dia hamirapiratra ny hazavanao na dia ao anatin\u2019ny haizina aza, Ary ho toy ny mitataovovona ny haizim-pitonao.",
        "11": "Hitarika anao foana i Jehovah, Ka hataony afa-po ianao, na dia any amin\u2019ny tany karakaina aza. Hanatanjaka ny taolanao izy, Ka ho lasa hoatran\u2019ny tanimboly azon-drano tsara ianao, Hoatran\u2019ny loharano tsy mety ritra.",
        "12": "Noho ny aminao, dia haorin\u2019izy ireo indray ny toerana efa rava hatry ny ela, Ary hatsanganao indray ny fototra efa nisy hatramin\u2019ny taranaka taloha. Hantsoina hoe mpanamboatra ny manda efa rava ianao, Ary mpamerina ny\u00a0lalana amin\u2019ny laoniny mba hipetrahan\u2019ny olona eny amorony.",
        "13": "Raha manaja ny Sabata ianao ka tsy mitady ny tombontsoanao fotsiny amin\u2019ny androko masina, Ary raha toa ny Sabata ka ataonao andro tena mahafinaritra anao sy andro masin\u2019i Jehovah ary andro omem-boninahitra, Ka omenao voninahitra, fa tsy mitady ny tombontsoanao fotsiny ianao sady tsy miteniteny foana,",
        "14": "Dia ho finaritra tanteraka amin\u2019i Jehovah ianao, Ary hataoko mifehy ny toerana avo eny ambonin\u2019ny tany. Havelako hihinana ny vokatra avy amin\u2019ny lovan\u2019i Jakoba razambenao koa ianao. Fa i Jehovah no efa niteny.\u201d"
    },
    "59": {
        "1": "Tsy hoe fohy loatra ny tanan\u2019i Jehovah ka tsy mahavonjy, Na hoe donto loatra ny sofiny ka tsy maheno.",
        "2": "Tsy izany, fa ny fahadisoanareo ihany no mampisaraka anareo amin\u2019Andriamanitrareo. Ny fahotanareo ihany koa no mahatonga azy hanafina ny tarehiny tsy ho hitanareo, Ka tsy mety mihaino anareo izy.",
        "3": "Fa mihosin-dra ny felatananareo, Ary feno fahadisoana ny rantsantananareo. Mandainga ny molotrareo, ary mingonongonona zavatra tsy marina ny vavanareo.",
        "4": "Tsy misy olona miantsoantso mba hiaro ny fahamarinana, Ary tsy misy milaza ny marina izay mankany amin\u2019ny fitsarana. Zavatra tsisy dikany no ianteheran\u2019izy ireo, ary zavatra tsisy ilana azy no teneniny. Teti-dratsy no miforona ao an-kibony, ka zava-doza no aterany.",
        "5": "Mikotrika atodina bibilava misy poizina izy ireo, Ary manenona tranon-kala. Ho faty izay mihinana ny atodiny, Ary bibilava misy poizina no foy avy ao amin\u2019ny atody nopotipotehina.",
        "6": "Tsy ho azo atao fitafiana ny tranon-kalany, Ary tsy ho azony irakofana ny zavatra vitany. Mampidi-doza ny zavatra ataony, Ary mahery setra foana ny tanany.",
        "7": "Mihazakazaka hanao ratsy ny tongony, Ary maika handatsaka ran\u2019olona tsy manan-tsiny izy ireo. Zava-dratsy no eritreretiny, Ary fandringanana sy fandravana no eny amin\u2019ny lalany.",
        "8": "Tsy fantany ny lalan\u2019ny fiadanana, Ary tsy misy rariny eny amin\u2019ny lalany. Ataony miolakolaka ny lalana alehany, Ka tsy hahita fiadanana mihitsy izay mandeha eny.",
        "9": "Izany no mahatonga ny rariny ho lavitra anay, Sy ny fahamarinana tsy hahatratra anay. Manantena hazavana foana izahay nefa haizina no hitanay, Ary manantena andro mazava nefa mbola mandeha ao anatin\u2019ny haizim-pito ihany.",
        "10": "Mitsapatsapa manara-drindrina toy ny jamba izahay, Ka mitsapatsapa toy ny olona tsy manana maso. Tafintohina izahay amin\u2019ny mitataovovonana, hoatran\u2019ny amin\u2019ny takariva maizimaizina ihany, Ary hoatran\u2019ny maty izahay rehefa miaraka amin\u2019ireo mahery.",
        "11": "Mierona toy ny orsa izahay rehetra, Ary mitoreo sy malahelo toy ny voromailala. Manantena rariny izahay nefa tsy misy izany, Ary manantena famonjena nefa lavitra anay izany.",
        "12": "Imbetsaka mantsy izahay no mikomy eo anatrehanao, Ary samy miampanga anay ny fahotanay. Fantatray tsara fa mikomy foana izahay, Sady manao fahadisoana imbetsaka.",
        "13": "Mandika lal\u00e0na sy mand\u00e0 an\u2019i Jehovah izahay, Ary manome lamosina an\u2019Andriamanitray. Mifampiresaka foana izahay hoe hampijaly sy hikomy. Mamorona lainga ao am-ponay koa izahay, ka mingonongonona teny tsy marina.",
        "14": "Dia mihemotra ny rariny, Ary mijanona eny lavitra eny ny hitsiny. Tafintohina eny amin\u2019ny tany malalaky ny tan\u00e0na mantsy ny fahamarinana, Ary tsy tafiditra eny ny fahitsiana.",
        "15": "Foana tsy misy intsony ny fahamarinana, Ary misy mandroba izay olona mifady ny ratsy. Nahita an\u2019izany i Jehovah ka tena tsy faly, Satria tsy nisy intsony ny rariny.",
        "16": "Hitany fa tsy nisy olona mba hanampy, Ary gaga izy fa tsy mba nisy mpanelanelana. Ny sandriny \u00e0ry no nampiasainy mba hamonjy, Ary ny fahamarinany ihany no nanohana azy.",
        "17": "Dia nanaovany hoatran\u2019ny akanjo mifono\u00a0vy ny fahamarinana, Ary nataony teo amin\u2019ny lohany ny fiarovan-doha, izany hoe ny famonjena. Notafiny koa ny valifaty, Ary nanaovany hoatran\u2019ny akanjo ny zotom-po.",
        "18": "Araka izay ataon\u2019ny olona ihany no hamaliany azy: Ho tezitra amin\u2019ny fahavalony izy, ary hamaly an\u2019ireo miady aminy. Hovaliany araka izay sahaza azy koa ireo nosy.",
        "19": "Dia hatahotra ny anaran\u2019i Jehovah ny avy any amin\u2019ny filentehan\u2019ny masoandro, Ary hatahotra ny voninahiny ny avy any amin\u2019ny fiposahan\u2019ny masoandro. Fa ho avy toy ny renirano misasasasa izy, Ka ny fanahin\u2019i Jehovah no mitarika azy.",
        "20": "\u201cHo tonga any Ziona ilay Mpanavotra, Ho tonga any amin\u2019izay tsy mandika lal\u00e0na intsony amin\u2019ny taranak\u2019i Jakoba\u201d, hoy i Jehovah.",
        "21": "\u201cIzao no fifanekena ataoko amin\u2019izy ireo\u201d, hoy i Jehovah: \u201cNy fanahiko izay ao aminao sy ny teniko nataoko teo am-bavanao, dia tsy hesorina eo am-bavanao, na eo am-bavan\u2019ny zanakao, na eo am-bavan\u2019ny zafikelinao, manomboka izao ka ho mandrakizay\u201d, hoy i Jehovah."
    },
    "60": {
        "1": "\u201cMitsang\u00e0na, ry\u00a0vehivavy, dia mandefasa hazavana, fa efa tonga ny hazavanao. Mamirapiratra eo aminao ny voninahitr\u2019i Jehovah.",
        "2": "Hanarona ny tany ny haizina, Ary hanarona an\u2019ireo firenena ny haizim-pito. Hamirapiratra eo aminao anefa i Jehovah, Ary eo aminao no hisehoan\u2019ny voninahiny.",
        "3": "Hankeo amin\u2019ny hazavanao ny firenena, Dia hanatona ny voninahitrao mamirapiratra ny mpanjaka.",
        "4": "Mitrak\u00e0 dia jereo daholo ny manodidina anao! Nangonina daholo izy rehetra, ka tonga eo aminao. Tonga avy any lavitra ny zanakao lahy, Ary hoatr\u2019izany koa ny zanakao vavy izay sakelehina.",
        "5": "Hahita an\u2019izany ianao amin\u2019izay fotoana izay ka ho miramirana. Hidobodoboka\u00a0be ny fonao sady ho feno hafaliana, Satria halefa any aminao ny harenan\u2019ny ranomasina, Sady ho tonga any aminao ny fananan\u2019ny firenena.",
        "6": "Handrakotra ny taninao ny andian-drameva, Dia ny ramevalahy tanora avy any Midianina sy Efaha. Ny olona avy any Sheba koa ho tonga daholo, Sady hitondra volamena sy ditin-kazo manitra. Hilaza ny fiderana an\u2019i Jehovah izy ireo.",
        "7": "Hangonina ho eo aminao daholo ny andian\u2019ondrin\u2019i Kedara. Hanompo anao ny ondrilahin\u2019i Nebaiota. Dia hankeo ambony alitarako ireny ka hankasitrahako. Ary hataoko tsara tarehy ilay tranoko be\u00a0voninahitra.",
        "8": "Iza ireny miara-manidina hoatran\u2019ny rahona ireny, Hoatran\u2019ny voromailala manidina mankeny amin\u2019ny tranony?",
        "9": "Fa hanantena ahy ireo nosy. Ny sambon\u2019i Tarsisy no anisan\u2019ny hitarika Mba hitondra ny zanakao lahy avy any lavitra any. Hitondra ny volafotsiny sy ny volamenany ny zanakao, Mba hiderana ny anaran\u2019i Jehovah Andriamanitrao sy Ilay Masin\u2019ny Israely. Homeny voninahitra mantsy ianao.",
        "10": "Hafa firenena no hanangana ny mandanao, Ary hanompo anao ny mpanjakany. Tezitra be aho ka nikapoka anao, Nefa hankasitraka anao aho ka hamindra\u00a0fo aminao.",
        "11": "Havela hisokatra foana ny vavahadinao. Tsy hohidiana ireny na andro na alina, Mba hampidirana ny fananan\u2019ny firenena ho ao aminao, Ka ny mpanjakany no hitarika an\u2019izany.",
        "12": "Fa ho ringana izay firenena sy fanjakana tsy hanompo anao, Ary ho rava tanteraka ireo firenena.",
        "13": "Hiaraka ho tonga any aminao ny voninahitr\u2019i Lib\u00e0na, Dia ny hazo zenevrie sy ny hazo volondavenona ary ny siprey, Mba hahatsara tarehy ny toerako masina. Dia homeko voninahitra ny fitoeran-tongotro.",
        "14": "Ho tonga hiankohoka eo anatrehanao ny zanak\u2019ireo nampijaly anao. Hiankohoka eo an-tongotrao daholo koa izay manambanimbany anao. Ary hantsoin\u2019izy ireo hoe tan\u00e0nan\u2019i Jehovah ianao, Dia Zionan\u2019Ilay Masin\u2019ny Israely.",
        "15": "Nafoy sy nankahalaina ianao taloha, sady tsy nisy mpandalo teo aminao. Hataoko lasa reharehan\u2019ny olona mandrakizay anefa ianao, Sady hahafaly ny olona hatramin\u2019ny taranaka fara aman-dimby.",
        "16": "Hisotro ny rononon\u2019ny firenena ianao, Sady hinono amin\u2019ny mpanjaka. Dia ho fantatrao tokoa fa izaho Jehovah no Mpamonjy anao, Ary Ilay Maherin\u2019i Jakoba no Mpanavotra anao.",
        "17": "Volamena no hoentiko ho solon\u2019ny varahina, Volafotsy ho solon\u2019ny\u00a0vy, Varahina ho solon\u2019ny hazo, Ary vy ho solon\u2019ny vato. Dia hotendreko ho mpiandraikitra anao ny fiadanana, Ary ho mpampiasa anao ny fahamarinana.",
        "18": "Tsy ho heno ao amin\u2019ny taninao intsony ny herisetra, Ary tsy ho heno ao anatin\u2019ny sisin-taninao intsony ny fandringanana sy fandravana. Hantsoinao hoe Famonjena ny mandanao, ary hoe Fiderana ny vavahadinao.",
        "19": "Tsy ny masoandro intsony no hanazava anao mandritra ny andro, Ary tsy hanome hazavana anao intsony ny volana mamirapiratra. I Jehovah mantsy no hanazava anao mandrakizay, Ary ilay Andriamanitrao no hahatsara tarehy anao.",
        "20": "Tsy hilentika intsony ny masoandronao, Sady tsy hihena ny hazavan\u2019ny volana manazava anao. I Jehovah mantsy no hanazava anao mandrakizay, Ary ho tapitra ny andro fisaonanao.",
        "21": "Ho lasa olo-marina daholo ny vahoakanao, Ary ho fananan\u2019izy ireo mandrakizay ilay tany. Tsimoka avy amin\u2019izay namboleko izy ireo, Sady asan\u2019ny tanako mba hahatsara tarehy ahy.",
        "22": "Ny vitsy ho lasa arivo, Ary ny kely ho lasa firenena mahery. Izaho Jehovah no hanafaingana an\u2019izany amin\u2019ny fotoanany.\u201d"
    },
    "61": {
        "1": "Ny fanahin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony no ato amiko, Satria nanosotra ahy hilaza vaovao tsara amin\u2019ny mpandefitra i Jehovah. Nirahiny hanisy fehy lamba ny ratran\u2019ny torotoro\u00a0fo aho, Sy hanambara hoe ho afaka ny babo, Ary hampahiratina ny mason\u2019ny voafonja mba tena hahita tsara.",
        "2": "Nirahiny koa aho hitory ny taona fanehoan\u2019i Jehovah fankasitrahana, Sy ny andro famalian\u2019ilay Andriamanitsika, Mba hampionona an\u2019izay malahelo rehetra,",
        "3": "Sy hanome izay ilain\u2019ireo malahelo noho izay nanjo an\u2019i Ziona, Ka hanome azy fehiloha ho solon\u2019ny lavenona, Menaka mahafalifaly ho solon\u2019ny alahelo, Ary akanjo fiderana ho solon\u2019ny hakiviana. Hantsoina hoe hazoben\u2019ny fahamarinana izy ireo, Dia hazo nambolen\u2019i Jehovah mba hanomezam-boninahitra azy.",
        "4": "Dia hamboarin\u2019izy ireo indray ny toerana efa rava taloha, Ary haoriny ny toerana efa tsy nisy mponina hatramin\u2019ny ela, Haveriny amin\u2019ny laoniny koa ny tan\u00e0na rava, Dia izay toerana tsy nisy mponina nandritra ny taranaka nifandimby.",
        "5": "\u201cVahiny no ho avy hiandry ny andian\u2019ondrinareo, Ary olona hafa firenena no ho mpambolinareo sy mpikarakara ny tanimboalobokareo.",
        "6": "Fa ianareo indray, hantsoina hoe mpisoron\u2019i Jehovah. Ary hiantso anareo hoe mpanompon\u2019ilay Andriamanitsika izy ireo. Hihinana ny fananan\u2019ny firenena ianareo, Ary hirehareha amin\u2019ny voninahitr\u2019izy ireo.",
        "7": "Hahazo anjara avo roa heny ny vahoakako ho solon\u2019ny henatra, Ary tsy ho afa-baraka intsony izy fa hihoby noho ny anjarany. Hahazo anjara avo roa heny tokoa izy ireo ao amin\u2019ny taniny, Dia hifaly mandrakizay.",
        "8": "Fa izaho Jehovah dia tia rariny, Sady mankahala ny fandrobana sy ny tsy fahamarinana. Mendri-pitokisana aho ka homeko foana ny karaman\u2019izy ireo, Ary hanao fifanekena mandrakizay aminy aho.",
        "9": "Ho fantatr\u2019ireo firenena ny zanak\u2019izy ireo, Ary ho fantatry ny vahoaka ny taranany. Izay rehetra mahita azy dia hahafantatra\u00a0hoe Izy ireo no taranaka notahin\u2019i Jehovah.\u201d",
        "10": "Ho faly be aho noho ny amin\u2019i Jehovah, Ary hiravoravo aho noho ny amin\u2019ilay Andriamanitro. Efa nampanaoviny ahy toy ny akanjo mantsy ny famonjena, Ary efa nampitafiany ahy toy ny akanjo lava ny fahamarinana, Ka hoatran\u2019ny mpampakatra manao fehiloha mitovy amin\u2019ny an\u2019ny mpisorona aho, Ary hoatran\u2019ny ampakarina manao firavaka.",
        "11": "Mampitsiry voa ny tany, Ary mampitsimoka an\u2019izay nafafy teo aminy ny tanimboly. Dia hoatr\u2019izany koa no ataon\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony, Satria hataony mitsiry eo anatrehan\u2019ny firenena rehetra ny fahamarinana sy fiderana."
    },
    "62": {
        "1": "Tsy hangina aho noho ny amin\u2019i Ziona, Ary tsy hipetra-potsiny aho noho ny amin\u2019i Jerosalema, Raha tsy efa mamirapiratra hoatran\u2019ny hazavana ny fahamarinany, Ary raha tsy efa mirehitra hoatran\u2019ny fanilo ny famonjena azy.",
        "2": "\u201cHahita ny fahamarinanao ny firenena, ry\u00a0vehivavy, Ary hahita ny voninahitrao ny mpanjaka rehetra. Dia homena anarana vaovao ianao, Ka i Jehovah mihitsy no hanome an\u2019izany.",
        "3": "Ho lasa satroboninahitra tsara tarehy eo an-tanan\u2019i Jehovah ianao, Ho fehilohan\u2019ny mpanjaka, eo am-pelatanan\u2019ilay Andriamanitrao.",
        "4": "Tsy hantsoina intsony hoe vehivavy nilaozam-bady ianao, Ary ny taninao tsy hatao intsony hoe tany tsy misy mponina. Fa ianao kosa hantsoina hoe Sitrako Izy, Ary ny taninao hoe Ilay Manambady. Fa hankasitraka anao i Jehovah, Ary ny taninao ho lasa hoatran\u2019ny hoe manambady.",
        "5": "Fa hoatran\u2019ny tovolahy manambady virjiny, Dia hanambady anao koa ny zanakao. Faly be amin\u2019ny ampakarina ny mpampakatra, Dia hoatr\u2019izany koa fa ho faly\u00a0be aminao ilay Andriamanitrao.",
        "6": "Efa nanendry mpitily ho eny ambonin\u2019ny mandanao aho, ry Jerosalema\u00a0\u00f4! Tsy tokony hangina mihitsy izy ireo, na andro na alina. \u201cIanareo izay miresaka momba an\u2019i Jehovah, Aza mitsahatra mihitsy,",
        "7": "Dia aza avela hitsahatra mihitsy koa izy, raha tsy efa voaoriny mafy i Jerosalema, Ary raha tsy efa ataony midera azy io ny olona eran-tany.\u201d",
        "8": "Efa nanangana ny tanany ankavanana sy ny sandriny mahery i Jehovah, ka nianiana hoe: \u201cTsy homeko ho sakafon\u2019ny fahavalonao intsony ny varimbazahanao, Ary tsy hosotroin\u2019ny hafa firenena intsony ny divainao vaovao, izay efa nisasaranao.",
        "9": "Fa izay mijinja azy ihany no hihinana azy, ka hidera an\u2019i Jehovah. Dia izay mioty azy ihany no hisotro azy ao amin\u2019ny tokotaniko masina.\u201d",
        "10": "Mivoaha amin\u2019ny vavahady, mivoaha! Karakarao izay lalana halehan\u2019ny olona! Manamboara lalambe, manamboara! Esory izay vato eny. Manang\u00e0na tsato-kazo famantarana ho an\u2019ireo firenena.",
        "11": "Izao no nolazain\u2019i Jehovah hatrany amin\u2019ny faran\u2019ny tany: \u201cTeneno i Ziona zanakavavy hoe: \u2018Efa kely sisa dia hovonjena ianao. Efa eny aminy ny valisoa homeny, Ary efa any aminy ny karama haloany.\u2019\u201d",
        "12": "Dia hantsoina hoe vahoaka masina navotan\u2019i Jehovah izy ireo. Ary ianao koa hantsoina hoe Ilay Notadiavina, Tan\u00e0na Tsy Nilaozana."
    },
    "63": {
        "1": "Iza iny tamy avy any Edoma iny, Iny avy any Bozra iny, sady manao akanjo marevaka? Manao fitafiana tsara\u00a0be koa izy, Sady hita amin\u2019ny fandehany hoe tena mahery sy manana fahefana. \u201cTsy iza fa izaho, Ilay milaza ny marina, Ilay manan-kery lehibe hamonjena.\u201d",
        "2": "Nahoana no mena ny fitafianao, Ary nahoana ny akanjonao no hoatran\u2019ny an\u2019ny mpanitsakitsaka voaloboka ao anaty lavaka famiazam-boaloboka?",
        "3": "\u201cIzaho irery no nanitsakitsaka ny voaloboka tao anaty lavaka famiazana azy, Fa tsy nisy niaraka tamiko ny olona avy any amin\u2019ireo firenena. Dia nohitsakitsahiko ireny sady tezitra ihany aho, Ary nohosihoseko ireny sady nisafoaka ihany aho. Dia nipitipitika teo amin\u2019ny akanjoko ny rany, Ka nolotoiko ny akanjoko rehetra.",
        "4": "Fa efa ato am-poko ny andro hanaovako valifaty, Ary efa tonga ny taona hanavotako ny vahoakako.",
        "5": "Nijery aho fa tsy mba nisy nanampy. Gaga be aho fa tsy nisy nanome tanana ahy. Ny sandriko \u00e0ry no nampiasaiko hamonjena, Ary ny hatezerako no nanampy ahy.",
        "6": "Nohitsakitsahiko ireo firenena sady tezitra ihany aho, Ka nataoko mamon\u2019ny hatezerako ireny. Dia nataoko nandriaka tamin\u2019ny tany ny rany.\u201d",
        "7": "Horesahiko ny zavatra ataon\u2019i Jehovah mampiseho hoe be\u00a0fitiavana sy tsy mivadika izy, Ny zavatra ataon\u2019i Jehovah izay mendri-piderana, Noho izay rehetra ataon\u2019i Jehovah ho antsika, Dia ny zavatra tsara be dia\u00a0be nataony ho an\u2019ny taranak\u2019Israely. Mamindra fo mantsy izy sady tena be fitiavana sy tsy mivadika.",
        "8": "Fa hoy izy: \u201cVahoakako tokoa ireo, sady zanaka tsy hivadika.\u201d Lasa Mpamonjy an\u2019ireo \u00e0ry izy.",
        "9": "Nalahelo be izy tamin\u2019ny fotoana rehetra nijalian\u2019izy ireo, Ka ilay iraka manokana nalefany no namonjy azy ireo. Be fitiavana sy mangoraka izy ka nanavotra azy ireo. Dia nibata sy nitondra azy foana izy nandritra an\u2019ireny taona lasa rehetra ireny.",
        "10": "Nikomy anefa izy ireo, ka nanao izay nampalahelo ny fanahiny masina. Lasa fahavalon\u2019izy ireo \u00e0ry izy, Ka niady taminy.",
        "11": "Dia nahatsiaro ny andro fahiny izy ireo, Dia ny andron\u2019i Mosesy mpanompony, ka niteny hoe: \u201cFa aiza Ilay nitondra azy ireo niakatra avy tany an-dranomasina, niaraka tamin\u2019ny mpiandry ny andian\u2019ondriny? Aiza Ilay nametraka ny fanahiny masina tao aminy?",
        "12": "Aiza Ilay nanohana ny tanana ankavanan\u2019i Mosesy tamin\u2019ny sandriny be\u00a0voninahitra, Dia Ilay nanasaraka ny rano teo alohan\u2019izy ireo, Mba hampahalaza ny anarany mandrakizay?",
        "13": "Aiza Ilay nampandeha azy ireo namakivaky ny rano manonja\u00a0be, Mba tsy ho tafintohina izy ireo rehefa mandeha, Hoatran\u2019ny soavaly mikarenjy eny an-tanety?",
        "14": "Hoatran\u2019ny biby fiompy midina eny amin\u2019ny tany lemaka mba hiala sasatra, Dia hoatr\u2019izany koa fa nataon\u2019ny fanahin\u2019i Jehovah niala sasatra izy ireo.\u201d Izany no fomba nitarihanao ny vahoakanao, Mba ho lasa be\u00a0voninahitra ny anaranao.",
        "15": "Mijere avy any an-danitra, Dia mitaz\u00e0na avy eny amin\u2019ny fonenanao avo, izay sady masina no be\u00a0voninahitra. Aiza ilay hoe be\u00a0zotom-po sy mahery ianao, Sady hoe te hangoraka mafy sy mamindra\u00a0fo? Tsy manao an\u2019izany aminay intsony ianao.",
        "16": "Fa ianao no Rainay. Na tsy fantatr\u2019i Abrahama aza izahay, Ary na tsy fantatr\u2019i Israely aza, Dia ianao no Rainay, Jehovah\u00a0\u00f4! Ianao no Mpanavotra anay hatrizay hatrizay, ary izany no anaranao.",
        "17": "Jehovah\u00a0\u00f4, fa maninona izahay no avelanao hirenireny hiala amin\u2019ny lalanao? Maninona no avelanao ho lasa mafy fo izahay, ka lasa tsy matahotra anao? Miverena noho ny amin\u2019ny mpanomponao, Dia ilay vahoaka lovanao.",
        "18": "Fotoana fohy ihany ny vahoakanao masina no nanana an\u2019ilay tany nomenao, Dia nohitsakitsahin\u2019ny fahavalonay ny toeranao masina.",
        "19": "Lasa hoatran\u2019ny olona tsy mba nofehezinao mihitsy izahay nandritra ny fotoana ela\u00a0be, Sady toy ny hoe tsy mba nantsoina tamin\u2019ny anaranao mihitsy."
    },
    "64": {
        "1": "Raha mba norovitinao mantsy ny lanitra ka nidina ianao, Dia hihovotrovotra eo anatrehanao ny tendrombohitra,",
        "2": "Hoatran\u2019ny afo mandoro kirihitra, Sy hoatran\u2019ny afo mampangotraka rano, Dia ho fantatry ny fahavalonao ny anaranao, Ka hangovitra eo anatrehanao ny firenena.",
        "3": "Rehefa nanao zavatra mahatalanjona ianao, zavatra tsy sahinay nantenaina akory, Dia nidina ianao, ary nihovotrovotra teo anatrehanao ny tendrombohitra.",
        "4": "Efa hatramin\u2019ny taloha no tsy nisy naheno na nandre, Na nahita Andriamanitra ankoatra anao, Dia ilay Andriamanitra manao zavatra ho an\u2019izay manantena azy foana.",
        "5": "Tsenainao izay faly manao ny tsara, Dia izay mahatsiaro anao ka manaraka ny lalanao. Tezitra ianao rehefa nanota foana izahay. Nanota nandritra ny fotoana ela\u00a0be mantsy izahay. Dia ho voavonjy ve izahay izao?",
        "6": "Lasa hoatran\u2019ny olona maloto daholo izahay, Ary toy ny akanjo voaloton\u2019ny fadimbolana ny tsara rehetra vitanay. Halazo hoatran\u2019ny ravinkazo izahay rehetra, Ary hipaoka anay toy ny rivotra ny fahadisoanay.",
        "7": "Tsy mba misy olona miantso ny anaranao, Sady tsy mba misy miezaka ny hifikitra aminao. Fa afeninao tsy ho hitanay ny tarehinao, Ary ataonao lasa reraka izahay noho ny fahadisoanay.",
        "8": "Ianao anefa izao no Rainay, Jehovah\u00a0\u00f4! Tanimanga izahay, ary ianao no Mpanefy anay. Asan\u2019ny tananao daholo izahay.",
        "9": "Aza tezitra be loatra, Jehovah\u00a0\u00f4, Ary aza tsaroana mandrakizay ny fahadisoanay. Mba jereo izahay fa vahoakanao daholo ange izahay\u00a0e!",
        "10": "Lasa tany efitra ireo tan\u00e0nanao masina. Lasa tany efitra koa i Ziona, Ary lasa ngazana i Jerosalema.",
        "11": "Masina sady be\u00a0voninahitra ilay tranonay, Dia tao ny razambenay no nidera anao. Kilan\u2019ny afo anefa ilay izy, Ary ravarava ny zava-drehetra tianay.",
        "12": "Dia mbola tsy hanao zavatra ihany ve ianao, Jehovah\u00a0\u00f4? Mbola hangina ihany ve ianao ka hamela anay hijaly\u00a0be hoatr\u2019izao?"
    },
    "65": {
        "1": "\u201cNavelako hahafantatra ahy izay tsy nanontany momba ahy, Ary navelako hahita ahy izay tsy nitady ahy. Hoy aho amin\u2019ny firenena izay tsy niantso ny anarako: \u2018Int\u1ef3 aho! Int\u1ef3 aho!\u2019",
        "2": "Mamelatra ny tanako tontolo andro amin\u2019ny vahoaka mafy\u00a0loha aho, Dia amin\u2019izay mandeha amin\u2019ny lalan-dratsy, Sady manao izay saim-pantany fotsiny.",
        "3": "Vahoaka manao izay hampahatezitra ahy foana izy ireo, Sady manao sorona eny an-jaridaina sy mandoro fanatitra mba hidona-tsetroka eny ambonin\u2019ny biriky.",
        "4": "Mipetrapetraka eny amin\u2019ny fasana izy ireo, Ary mijanona mandritra ny alina ao amin\u2019ny toerana miafina, Sady mihinana henan-kisoa Sy ron-javatra maloto eo am-biliany.",
        "5": "Hoy izy ireo: \u2018Mijan\u00f2na eny, fa aza manatona ahy! Fa masina noho ianao aho.\u2019 Setroka eo am-bavoroko anefa ireny, sady afo mirehitra tontolo andro.",
        "6": "Efa voasoratra eo anatrehako izany. Tsy hipetra-potsiny aho, Fa hamaly azy ireo. Hovaliako izy ireo ka hosaziko noho izay rehetra nataony,",
        "7": "Noho ny fahadisoany sy ny fahadisoan\u2019ny razambeny\u201d, hoy i Jehovah. \u201cNandoro fanatitra mba hidona-tsetroka teny an-tendrombohitra izy ireo, Sady nanala baraka ahy teny amin\u2019ny havoana, Ka hafatrako daholo aloha ny karamany.\u201d",
        "8": "Izao no tenin\u2019i Jehovah: \u201cHoatran\u2019ny rehefa misy voaloboka iray tangozany azo anaovana divay vaovao, Ka misy miteny hoe: \u2018Aza simbana io fa misy zavatra tsara ihany\u2019, Dia hoatr\u2019izany koa no hataoko amin\u2019ny mpanompoko. Tsy haringako izy rehetra.",
        "9": "Hamoaka taranaka avy amin\u2019i Jakoba aho, Ary hamoaka olona iray avy amin\u2019i Joda mba handova ny tendrombohitro. Ho lasan\u2019ny olom-boafidiko ilay tany, Dia hipetraka ao ny mpanompoko.",
        "10": "Ho lasa kijana ho an\u2019ny ondry i Sar\u00f4na, Ary ny Lohasahan\u2019i Akora ho toerana fialan-tsasatra ho an\u2019ny omby. Izany no hataoko ho an\u2019ilay vahoakako mitady ahy.",
        "11": "Anisan\u2019izay mahafoy an\u2019i Jehovah anefa ianareo, Dia izay manadino ny tendrombohitro masina, Sy manomana latabatra ho an\u2019ny andriamanitry ny Vintana, Ary mameno kaopy amin\u2019ny divay misy fangarony ho an\u2019ny andriamanitry ny Lahatra.",
        "12": "Dia hatolotro ho fatin\u2019ny sabatra ianareo, Ary hiankohoka mba hovonoina daholo. Niantso mantsy aho, fa tsy namaly ianareo. Niteny aho, fa tsy nihaino ianareo. Nanao izay ratsy teo imasoko foana koa ianareo, Ary ny zavatra tsy tiako no nofidinareo.\u201d",
        "13": "Izao \u00e0ry no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u201cNy mpanompoko hihinana, fa ianareo kosa ho noana. Ny mpanompoko hisotro, fa ianareo kosa hangetaheta. Ny mpanompoko hifaly, fa ianareo kosa ho afa-baraka.",
        "14": "Ny mpanompoko hihoby satria falifaly ny fony, Fa ianareo kosa hitaraindraina satria malahelo ny fonareo, Ary hidradradradra satria kivy.",
        "15": "Anarana sisa no mba ho tavela aminareo, dia anarana hampiasain\u2019ny olom-boafidiko hanozonana. Ary hamono anareo tsirairay i Jehovah Tompo Fara Tampony, Fa ny mpanompony kosa hantsoiny amin\u2019ny anarana hafa.",
        "16": "Izay mangataka fitahiana ho an\u2019ny tenany eny ambonin\u2019ny tany \u00e0ry, Dia hotahin\u2019ilay Andriamanitry ny fahamarinana. Ary izay mianiana eny ambonin\u2019ny tany, Dia hianiana amin\u2019ny anaran\u2019ilay Andriamanitry ny fahamarinana. Hohadinoina mantsy ny fahoriana taloha, Ka hafenina tsy ho hitan\u2019ny masoko.",
        "17": "Fa hamorona lanitra vaovao sy tany vaovao aho. Dia tsy hotsaroana intsony ny zavatra taloha, Sady tsy handreraka fo.",
        "18": "Miravoravoa sy mifalia mandrakizay \u00e0ry noho ny amin\u2019izay hoforoniko. Fa hoforoniko mba hahafaly ny olona i Jerosalema, Ary hoforoniko mba haharavoravo ny olona ny vahoakany.",
        "19": "Hifaly noho ny amin\u2019i Jerosalema aho, ary hiravoravo noho ny amin\u2019ny vahoakako. Dia tsy ho heno ao aminy intsony ny feon\u2019olona mitomany na mitaraindraina.\u201d",
        "20": "\u201cTsy hisy ao amin\u2019io toerana io intsony izany hoe zaza velona andro vitsivitsy fotsiny izany, Na hoe olona antitra tsy mahatapitra ny androm-piainany. Fa mbola heverina ho ankizilahy ihany izay maty, na dia zato\u00a0taona aza, Ary ny mpanota kosa hozonina, na dia efa zato taona aza.",
        "21": "Hanao trano ny olona ka hipetraka ao, Ary hamboly voaloboka ka hihinana ny vokatra amin\u2019izany.",
        "22": "Tsy hanao trano hipetrahan\u2019olon-kafa izy, Na hamboly zavatra hohanin\u2019olon-kafa. Fa hitovy amin\u2019ny halavan\u2019ny androm-piainan\u2019ny hazo ny androm-piainan\u2019ny vahoakako, Ary hanaram-po amin\u2019ny asan\u2019ny tanany ny olom-boafidiko.",
        "23": "Tsy ho very maina fotsiny ny asa mafy ataony, Ary rehefa miteraka izy dia tsy hisy loza hanjo ny zanany. Fa vahoaka tahin\u2019i Jehovah izy ireo, Ary hoatr\u2019izany koa ny taranany.",
        "24": "Na mbola tsy miantso aza izy ireo, dia efa hamaly aho, Ary raha mbola tsy tapitra ny teniny, dia efa henoko daholo.",
        "25": "Hiara-miraoka ahitra ny amboadia sy ny zanak\u2019ondry. Dia hihinana mololo hoatran\u2019ny omby ny liona, Ary vovoka no ho sakafon\u2019ny bibilava. Dia tsy handratra an\u2019iza na iza, na hanimba na inona na inona eran\u2019ny tendrombohitro masina ireny\u201d, hoy i Jehovah."
    },
    "66": {
        "1": "Izao no tenin\u2019i Jehovah: \u201cNy lanitra no seza fiandrianako, ary ny tany no fitoeran-tongotro. Trano hoatran\u2019ny ahoana \u00e0ry no azonareo atao ho ahy, Ary toerana hoatran\u2019ny ahoana no azoko ialana sasatra?\u201d",
        "2": "\u201cNy tanako no nanao an\u2019ireny zavatra rehetra ireny, Ka izany no nampisy azy rehetra ireny\u201d, hoy i Jehovah. \u201cIzao \u00e0ry ny olona hotsinjoviko: Ny manetry tena sy kivy izay mangovitra noho ny teniko.",
        "3": "Izay mamono omby, dia hoatran\u2019ny mamono olona ho faty. Izay manao sorona ondry koa, dia toy ny mively hatok\u2019alika mba hahafaty azy. Izay manolotra fanomezana indray, dia hoatran\u2019ny manolotra ran-kisoa, Ary izay manolotra ditin-kazo manitra ho fahatsiarovana, dia toy ny mitso-drano olona amin\u2019ny teny fampiasan\u2019ny mpimasy. Izy ireo ihany no mifidy ny lalana halehany, Ary mahafinaritra azy ny zavatra maharikoriko.",
        "4": "Hifidy fomba hanasaziana azy ireo \u00e0ry aho, Ka izay zavatra atahorany mihitsy no hataoko mihatra aminy. Niantso mantsy aho, fa tsy nisy namaly, Ary niteny aho, fa tsy nisy nihaino. Nanao izay ratsy teo imasoko foana izy ireo, Ary ny zavatra tsy tiako no nofidiny.\u201d",
        "5": "Mihainoa an\u2019izao tenin\u2019i Jehovah izao ianareo izay mangovitra noho ny teniny: \u201cHoy ny rahalahinareo izay mankahala sy manilika anareo noho ny anarako: \u2018Homena voninahitra anie i\u00a0Jehovah!\u2019 Hiseho anefa Andriamanitra ka hampifaly anareo, Fa izy ireo kosa ho afa-baraka.\u201d",
        "6": "Misy tabataba avy ao an-tan\u00e0na, ary misy feo avy ao amin\u2019ny tempoly! Feon\u2019i Jehovah izany, fa valiany araka izay sahaza azy ny fahavalony.",
        "7": "Mbola tsy nihetsi-jaza akory ilay vehivavy dia efa teraka. Mbola tsy nanaintaina akory izy dia tera-dahy.",
        "8": "Iza no efa naheno zavatra hoatr\u2019izany? Iza no efa nahita zavatra hoatr\u2019izany? Hisy tany ho teraka ao anatin\u2019ny iray andro\u00a0ve? Sa hisy firenena hatao indray miteraka? I Ziona anefa vao nihetsi-jaza dia niteraka an\u2019ireo zanany lahy.",
        "9": "\u201cIzaho ve no mahatonga an\u2019ilay zaza ho efa akaiky ho teraka, dia izaho indray no hanakana azy tsy hivoaka?\u201d, hoy i Jehovah. \u201cIzaho ve no mahatonga azy hiteraka, dia izaho indray no hanakatona ny kibony?\u201d, hoy ilay Andriamanitrao.",
        "10": "Mifalia sy miravoravoa miaraka amin\u2019i Jerosalema, ianareo rehetra tia azy. Miravoravoa miaraka aminy, ianareo rehetra malahelo azy.",
        "11": "Fa hinono aminy ianareo dia hampiononiny ka ho afa-po tanteraka. Hisotro ronono be dia be ianareo, dia ho faly\u00a0be satria be\u00a0voninahitra izy.",
        "12": "Fa izao no tenin\u2019i Jehovah: \u201cHataoko mikoriana eo aminy hoatran\u2019ny renirano ny fiadanana, Ary hoatran\u2019ny riaka\u00a0be ny voninahitr\u2019ireo firenena. Dia hinono ianareo ary hosakelehina, Sady horotsirotsina eo am-pofoana.",
        "13": "Hampionona anareo foana aho, Hoatran\u2019ny reny mampionona ny zanany lahy. Hahazo fampiononana tokoa ianareo noho ny amin\u2019i Jerosalema.",
        "14": "Hahita an\u2019izany ianareo ka ho faly ny fonareo, Dia hitombo tsara toy ny ahitra vao maniry ny taolanareo. Ary ny tanan\u2019i Jehovah dia ho fantatry ny mpanompony, Fa ny fahavalony kosa homelohiny.\u201d",
        "15": "\u201cHo avy toy ny afo mantsy i\u00a0Jehovah, Ary hoatran\u2019ny tafio-drivotra ny kalesiny, Fa tezitra mafy izy ka hamaly an\u2019ireo, Ary lelafo no hampiasainy hananarana azy mafy.",
        "16": "Fa hampiasa afo i Jehovah rehefa mampihatra didim-pitsarana, Ary hampiasa ny sabany izy mba handringanana ny olombelona rehetra. Dia ho be dia be no ho voaringan\u2019i Jehovah.",
        "17": "\u201cHiaraka ho ringana daholo izay manamasina sy manadio ny tenany mba hiditra ao amin\u2019ireo zaridaina masina manarakaraka an\u2019ilay eo afovoany, ary izay mihinana henan-kisoa sy totozy ary zava-maharikoriko hafa\u201d, hoy i Jehovah.",
        "18": "\u201cFantatro ny ataon\u2019izy ireo sy ny eritreriny, ka ho avy aho mba hanangona ny olona avy any amin\u2019ny firenena rehetra sy ny olona samy hafa fiteny rehetra. Dia ho tonga ireny ka hahita ny voninahitro.\u201d",
        "19": "\u201cDia hanao famantarana eo aminy aho. Ary ny olona sasany izay afa-nandositra dia halefako any amin\u2019ireo firenena, izany hoe any Tarsisy sy Pola ary Loda izay mpampiasa tsip\u00ecka, sy any Tobala sy Javana ary any amin\u2019ireo nosy lavitra, dia any amin\u2019ireo firenena mbola tsy naheno ny momba ahy na nahita ny voninahitro. Ary hitory ny voninahitro eo amin\u2019ireo firenena izy ireo.",
        "20": "Dia halain\u2019izy ireo avy any amin\u2019ny firenena rehetra ny rahalahinareo rehetra, ka hataony fanomezana ho an\u2019i Jehovah. Ary hoentiny amin\u2019ny soavaly, kalesy, sarety mitafo, ramole, ary rameva mahery mandeha izy ireny, mba hiakatra ho any Jerosalema tendrombohitro masina\u201d, hoy i Jehovah. \u201cIzany dia hoatran\u2019ny ataon\u2019ny vahoakan\u2019Israely rehefa mitondra fanomezana ao anaty vilia madio mankany an-tranon\u2019i Jehovah.\u201d",
        "21": "\u201cHisy koa halaiko ho mpisorona sy ho Levita\u201d, hoy i Jehovah.",
        "22": "\u201cFa haharitra eo anatrehako ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao izay foroniko, ary haharitra hoatr\u2019izany koa ny taranakareo sy ny anaranareo\u201d, hoy i Jehovah.",
        "23": "\u201cManomboka amin\u2019ny tsinam-bolana ka hatramin\u2019ny tsinam-bolana, ary manomboka amin\u2019ny sabata ka hatramin\u2019ny sabata, Dia ho tonga hiankohoka eo anatrehako ny olombelona rehetra\u201d, hoy i Jehovah.",
        "24": "\u201cAry hivoaka izy ireo ka hitazana ny fatin\u2019ireo olona nikomy tamiko. Tsy ho faty mantsy ny olitra eo amin\u2019izy ireny, Ary tsy hovonoina ny afony. Dia ho lasa zava-maharikoriko amin\u2019ny olona rehetra izy ireny.\u201d"
    },
    "meta": {
        "name": "Isaia",
        "order": 22,
        "chapter_number": 66
    }
}