mg-bibles
Version:
A package for accessing Bible verses in Malagasy (MG), Diem, King James (KJV), and Louis Segond (APEE) versions
233 lines (232 loc) • 38.5 kB
JSON
{
"1": {
"1": "Niteny tamin\u2019i Hosea zanak\u2019i Bery i Jehovah, tamin\u2019ny andron\u2019i Ozia sy Jotama sy Ahaza ary Hezekia, izay samy mpanjakan\u2019ny Joda, sy tamin\u2019ny andron\u2019i Jeroboama zanak\u2019i Joasy, mpanjakan\u2019ny Israely.",
"2": "Dia nanomboka nampita ny teniny tamin\u2019ny vahoaka, tamin\u2019ny alalan\u2019i Hosea, i Jehovah. Ary hoy i Jehovah tamin\u2019i Hosea: \u201cMandehana maka vady. Ary hijangajanga ilay vadinao, dia hahazo zanaka avy amin\u2019ny fijangajangany ianao. Nijangajanga mantsy ity tany ity ka niala tanteraka tamin\u2019i Jehovah.\u201d",
"3": "Nanambady an\u2019i Gomera zanakavavin\u2019i Diblaima \u00e0ry i Hosea. Dia bevohoka i Gomera ka nitera-dahy taminy.",
"4": "Ary hoy i Jehovah taminy: \u201cAtaovy hoe Jezirela ny anarany, fa kely sisa dia hofaiziko ny taranak\u2019i Jeho satria namono olona be dia be tao Jezirela. Ary hataoko tsy hisy mpanjaka intsony avy amin\u2019ny taranak\u2019Israely.",
"5": "Amin\u2019izany andro izany, dia hotapahiko eo amin\u2019ny Lohasahan\u2019i Jezirela ny tsip\u00eckan\u2019ny Israely.\u201d",
"6": "Ary bevohoka indray i Gomera ka niteraka vavikely. Dia hoy Andriamanitra tamin\u2019i Hosea: \u201cAtaovy hoe Lo-rohama ny anarany, satria tsy hamindra\u00a0fo amin\u2019ny taranak\u2019Israely intsony aho, fa tena horoahiko izy ireo.",
"7": "Ny taranak\u2019i Joda kosa no hamindrako\u00a0fo. Amin\u2019ny herin\u2019i Jehovah Andriamaniny no hamonjeko azy, fa tsy amin\u2019ny sabatra na tsip\u00ecka na ady na soavaly na mpitaingin-tsoavaly.\u201d",
"8": "Rehefa nisara-nono i Lo-rohama, dia bevohoka indray i Gomera ka nitera-dahy.",
"9": "Ary hoy Andriamanitra: \u201cAtaovy hoe Lo-amy ny anarany, satria tsy vahoakako ianareo, ary tsy ho Andriamanitrareo aho.",
"10": "\u201cHo lasa be dia be anefa ny Israelita, hoatran\u2019ny fasika any an-dranomasina, izay tsy voafatra na voaisa. Ary any amin\u2019ilay toerana nilazako tamin\u2019izy ireo hoe: \u2018Tsy vahoakako ianareo\u2019, no hilazako aminy hoe: \u2018Zanak\u2019ilay Andriamanitra velona ianareo.\u2019",
"11": "Hangonina ny vahoakan\u2019i Joda sy ny vahoakan\u2019 Israely mba hiray hina, ka hifidy mpitondra iray hitarika azy izy ireo. Dia hiala ao amin\u2019ilay tany izy ireo, satria ho andro lehibe ho an\u2019i Jezirela izany."
},
"2": {
"1": "\u201cLazao amin\u2019ny rahalahinareo hoe: \u2018Vahoakako ianareo!\u2019, Ary amin\u2019ny anabavinareo hoe: \u2018Vehivavy namindrana\u00a0fo ianareo!\u2019",
"2": "Teneno mafy ny reninareo! Teneno mafy izy, Fa tsy vadiko intsony, ary izaho tsy vadiny. Tsy tokony hijangajanga intsony izy, Ary tsy tokony hanitsakitsa-bady intsony.",
"3": "Raha tsy izany dia hataoko miboridana izy, sady hataoko toy ny tamin\u2019izy vao teraka. Ary hataoko hoatran\u2019ny tany efitra Sy tany tsy misy rano izy, Ka hataoko matin\u2019ny hetaheta.",
"4": "Ary tsy hamindrako fo ny zanany, Satria azony avy tamin\u2019ny fijangajangana.",
"5": "Nijangajanga mantsy ny reniny, Ary nanao zavatra mahamenatra ilay niteraka azy ireo. Fa hoy izy: \u2018Hanaraka an\u2019ireny lehilahy niarahako ireny aho, Dia ireo manome ahy mofo sy rano, Lamba volonondry sy lamba rongony, ary menaka sy zava-pisotro.\u2019",
"6": "\u201cHosakanako amin\u2019ny fefy tsilo \u00e0ry ny lalany, Dia hanangana rindrim-bato aho hanakanana azy, Mba tsy hahitany ny lalany.",
"7": "Hanenjika an\u2019ireny lehilahy niarahany ireny izy, fa tsy hahatratra azy, Ary hitady an\u2019ireny, fa tsy hahita. Dia hilaza izy hoe: \u2018Andeha hiverina any amin\u2019ny vadiko aho. Niadana er\u1ef3 aho mantsy tamin\u2019izany, fa tsy hoatran\u2019ny amin\u2019izao.\u2019",
"8": "Tsy noeritreretiny anefa hoe izaho no nanome azy varimbazaha sy divay vaovao ary menaka. Izaho koa no nanome azy volafotsy be dia\u00a0be, Sy volamena, izay samy nampiasainy tamin\u2019izy nanompo an\u2019i Bala.",
"9": "\u2018Hiverina \u00e0ry aho dia halaiko ny varimbazahako rehefa tonga ny fotoam-pijinjana, Ary halaiko ny divay vaovao rehefa tonga ny fotoana fanamboarana azy. Ary hendahako ny lamba volonondriko sy ny lamba rongoniko izay nanaronany ny fitanjahany.",
"10": "Hataoko miharihary ny fivaviany mba ho hitan\u2019ireny lehilahy niarahany ireny, Ary tsy hisy olona hahavonjy azy eto an-tanako.",
"11": "Hataoko tsy misy intsony ny zavatra mahafaly azy: Ny fetiny, ny tsinam-bolany, ny sabatany, ary ny fetiny hafa rehetra.",
"12": "Ary hosimbako ny voalobony sy ny aviaviny, izay nolazainy hoe: \u201cIreo ange ny karama nomen\u2019ireny lehilahy niarahako ireny\u00a0e!\u201d Dia hataoko ho lasa ala ireo, Ka ho lanin\u2019ny bibidia.",
"13": "Dia hofaiziko izy satria nanokana andro hanaovana sorona ho an\u2019ny sarin\u2019i Bala. Nihaingo izy tamin\u2019izay ka nanao peratra sy firavaka, ary nanenjika an\u2019ireny lehilahy niarahany ireny. Izaho anefa hadinony\u2019, hoy i Jehovah.",
"14": "\u2018Koa handresy lahatra azy aho, Ka hitarika azy ho any an-tany efitra, Ary hilaza teny mamy aminy.",
"15": "Aorian\u2019izay dia haveriko aminy ny tanimboalobony, Ary ny Lohasahan\u2019i Akora no vavahady hidirany ao amin\u2019ilay tany nandrandrainy. Ary eo izy no hamaly ny teniko, toy ny tamin\u2019ny andro fahatanorany Sy tamin\u2019ny andro nivoahany avy tany Ejipta.\u2019",
"16": "Hoy i Jehovah: \u2018Amin\u2019izany andro izany, Dia hiantso ahy hoe Vadiko ianao, fa tsy hoe Tompoko intsony.\u2019",
"17": "\u2018Tsy havelako hanonona ny anaran\u2019ireny Bala ireny intsony izy, Ka tsy hotsarovana intsony ny anaran\u2019ireny.",
"18": "Amin\u2019izany andro izany, dia hanao fifanekena mba hahasoa ny vahoakako aho, dia fifanekena amin\u2019ny bibidia Sy ny voro-manidina eny amin\u2019ny lanitra, ary ny biby mandady amin\u2019ny tany. Hofoanako tsy hisy eo amin\u2019ilay tany ny tsip\u00ecka sy ny sabatra ary ny ady. Ary hataoko milamina tsara ilay tany ka tsy hisy hampatahotra azy.",
"19": "Halaiko ho vady mandrakizay ianao. Ary mivoady aho fa hanao ny rariny sy ny hitsiny aminao, Dia ho tia anao foana sy hamindra\u00a0fo aminao.",
"20": "Mivoady koa aho fa tsy hivadika aminao. Dia ho fantatrao tsara i Jehovah.\u2019",
"21": "\u2018Amin\u2019izany andro izany\u2019, hoy i Jehovah, \u2018Dia homeko an\u2019izay zavatra hangatahiny ny lanitra. Ary ny lanitra indray hanome an\u2019izay zavatra hangatahin\u2019ny tany.",
"22": "Ny tany kosa hanome varimbazaha sy divay vaovao ary menaka. Dia hahazo an\u2019ireo zavatra hangatahiny ireo i Jezirela.",
"23": "Hafafiko amin\u2019ny tany toy ny voa afafy izy, ka ho ahy izy sy ny vokatra avy aminy. Ary hamindrako fo ilay tsy namindrana\u00a0fo. Dia hiteny amin\u2019izay tsy vahoakako aho hoe: \u201cVahoakako ianareo\u201d, Ary izy ireo hanao hoe: \u201cAndriamanitray ianao.\u201d\u2019\u201d"
},
"3": {
"1": "Hoy koa i Jehovah tamiko: \u201cMandehana tiavo indray ilay vehivavy miaraka amin\u2019ny lehilahy hafa sy manitsakitsa-bady. Tiavo izy, hoatran\u2019ny itiavan\u2019i Jehovah ny vahoakan\u2019Israely, na dia manompo andriamani-kafa aza izy ireo sady tia manolotra mofo vita amin\u2019ny voaloboka maina ho an\u2019ireny sampy ireny.\u201d",
"2": "Dia novidiko tamin\u2019ny volafotsy 15 sekely sy vary orza eran\u2019 ny homera sy tapany i Gomera.",
"3": "Dia hoy aho taminy: \u201cAza mijangajanga na manao firaisana amin\u2019ny lehilahy hafa, fa mijan\u00f2na eto amiko mandritra ny andro maro. Izaho koa tsy hanao firaisana aminao.\u201d",
"4": "Tsy hisy mpanjaka na andriana mantsy eo amin\u2019ny vahoakan\u2019Israely mandritra ny fotoana ela\u00a0be, sady tsy hisy sorona, na tsangambato masina, na efoda, na sarivongana terafima.",
"5": "Aorian\u2019izay, dia hiverina ny vahoakan\u2019Israely ka hitady an\u2019i Jehovah Andriamaniny sy Davida mpanjakany. Any am-parany any, dia hanatona an\u2019i Jehovah izy ireo satria matahotra azy, sady maniry ny hanehoany ny hatsaran-toetrany."
},
"4": {
"1": "Henoy ny tenin\u2019i Jehovah, ry\u00a0vahoakan\u2019Israely, Fa miady amin\u2019ny mponin\u2019ity tany ity any amin\u2019ny fitsarana i Jehovah, Satria tsy misy manao ny marina eto, na maneho fitiavana sy tsy mivadika, na mahalala an\u2019Andriamanitra.",
"2": "Be dia be no mianiana lainga, mandainga, mamono olona, Mangalatra ary manitsakitsa-bady. Misesisesy koa ny fandatsahan-dra.",
"3": "Hisaona \u00e0ry ny tany, Ary ho reraka tsikelikely ny olona ao ka efa ho faty daholo. Dia ho faty ny bibidia sy ny voro-manidina, Ary na ny trondro any an-dranomasina koa aza.",
"4": "\u201cTsy tokony hisy hiady aminao na hananatra anao anefa, Fa hoatran\u2019ny olona miady amin\u2019ny mpisorona ny firenenao.",
"5": "Ho tafintohina amin\u2019ny antoandro\u00a0be, toy ny rehefa amin\u2019ny alina, ianao. Dia ho tafintohina miaraka aminao koa ny mpaminany, Ary hovonoiko ny reninao.",
"6": "Ho ringana ny vahoakako satria tsy mahalala ahy. Tsy mety mianatra momba ahy ianao, Ka tsy hekeko ho mpisorona intsony. Manadino ny lal\u00e0n\u2019ilay Andriamanitrao ianao, Dia hohadinoiko koa ny zanakao.",
"7": "Nihabetsaka ny mpisorona nefa vao mainka ny olona nanota. Dia hataoko afa-baraka ny mpisorona fa tsy homeko voninahitra.",
"8": "Lasa matavy izy ireo rehefa manota ny vahoakako, Ary tena tiany hanota foana aza izy ireny.",
"9": "Mitovy ihany ny vahoaka sy ny mpisorona, Ka samy hofaiziko izy ireo noho izay ataony. Ary hataoko mivaly aminy ny ratsy nataony.",
"10": "Hihinana izy ireo nefa tsy ho voky, Ary hanao firaisana amin\u2019olona be dia be izy ireo nefa tsy hihamaro. Tsy miraharaha an\u2019i Jehovah mantsy izy ireo.",
"11": "Ny fijangajangana sy ny divay efa niotrika ela ary ny divay vaovao No mahatonga ny olona tsy te hanao ny tsara.",
"12": "Any amin\u2019ny hazo ataony sampy ny vahoakako no mangataka hevitra, Ka izay lazain\u2019ny tehiny no ataony. Te hijangajanga mantsy izy ireo ka manao zava-dratsy. Mijangajanga izy ireo ka tsy mety manaiky an\u2019Andriamanitra.",
"13": "Eny an-tampon-tendrombohitra izy ireo no manao sorona, Ary eny amin\u2019ny havoana no ataony midona-tsetroka ny sorona ataony, Eo ambanin\u2019ny hazo oaka sy ny hazo stiraksa ary ny hazobe rehetra, Satria malomaloka tsara eny. Izany no mahatonga ny zanakareo vavy hijangajanga, Sy ny vinantovavinareo hanitsakitsa-bady.",
"14": "Tsy hofaiziko anefa ny zanakareo vavy na dia mijangajanga aza, Ary tsy hofaiziko ny vinantovavinareo na dia manitsakitsa-bady aza. Ny lehilahy mantsy no lasa manaraka mpivaro-tena, Sy manao sorona miaraka amin\u2019ny mpivaro-tenan\u2019ny tempoly. Ho ringana ny olona tsy misaina hoatr\u2019izany.",
"15": "Na mijangajanga aza ianao, ry\u00a0Israely\u00a0\u00f4, Dia enga anie i Joda mba tsy hanao hoatr\u2019anao! Aza mankany Gilgala na Beti-avena, Ary aza mianiana hoe: \u2018Raha mbola velona koa i Jehovah!\u2019",
"16": "Fa lasa maditra hoatran\u2019ny ombivavy maditra ny Israely. Koa i Jehovah ve dia mbola hiandry azy eny amin\u2019ny tany be\u00a0vilona, toy ny ataon\u2019ny mpiandry zanak\u2019ondry?",
"17": "Lasa mpanompo sampy i\u00a0Efraima, Ka avelao izy ho any!",
"18": "Rehefa laniny ny labierany, Dia lasa mijangajanga izy. Tena tia manao zavatra mahamenatra ny mpitondra eo aminy.",
"19": "Ho lasan\u2019ny rivotra izy, Dia ho menatra noho ny sorona nataony.\u201d"
},
"5": {
"1": "\u201cHenoy izao, ry mpisorona, Mihainoa tsara, ry\u00a0taranak\u2019Israely\u00a0\u00f4, Ary mihainoa ianareo ao amin\u2019ny lapan\u2019ny mpanjaka, Fa hotsaraina ianareo. Fandrika tany Mizpa mantsy ianareo, Ary fandrika harato novelarina tao Tabara.",
"2": "Efa nandripaka olona be dia be ireo niala tamiko, Ka mampitandrina azy rehetra aho.",
"3": "Fantatro i Efraima, Ary tsy misy miafina amiko ny momba ny Israely. Fa mijangajanga foana ianao, ry\u00a0Efraima\u00a0\u00f4, Ary efa nandoto ny tenany ny Israely.",
"4": "Ny zavatra ataony no misakana azy tsy hiverina amin\u2019ny Andriamaniny. Te hijangajanga foana mantsy izy ireo, Ary tsy ekeny fa izaho no Jehovah Andriamaniny.",
"5": "Voaporofo hoe meloka ny Israely satria nirehareha. Ny nataon\u2019ny Israely sy Efraima ihany no nahavoa azy, Ary niaraka voa taminy koa ny Joda.",
"6": "Nitady an\u2019i Jehovah izy ireo, niaraka tamin\u2019ny ondriny sy ny ombiny, Fa tsy nahita azy. Efa niala tamin\u2019izy ireo mantsy izy.",
"7": "Nivadika tamin\u2019i Jehovah izy ireo, Satria niteraka zaza hafa firenena. Ao anatin\u2019ny iray volana ihany dia ho ringana izy ireo sy ny fananany.",
"8": "Tsofy ao Gibea ny anjombona, ary tsofy ao Rama ny trompetra! Tariho ny tafika, ry\u00a0Benjamina\u00a0\u00f4! Manaova hiakan\u2019ady ao Beti-avena.",
"9": "Ry Efraima\u00a0\u00f4, hihorohoro ny olona rehefa mahita an\u2019izay hanjo anao, amin\u2019ny andro hanafaizana anao. Efa nolazaiko tamin\u2019ny fokon\u2019ny Israely hoe inona no tena hitranga.",
"10": "Ny andriana ao Joda dia manao hoatran\u2019ny olona manakisaka ny marika mamaritra ny tanin\u2019olon-kafa, Ka ho tezitra be aminy aho.",
"11": "Rariny raha ampahorina sy ravaravana i Efraima, Satria izy tapa-kevitra ny hanaraka ny fahavalony.",
"12": "Hoatran\u2019ny bibikely nanimba an\u2019i Efraima \u00e0ry aho, Ary toy ny zavatra nahatonga ny taranak\u2019i Joda ho l\u00f2.",
"13": "Rehefa hitan\u2019i Efraima ny aretiny, ary hitan\u2019i Joda ny feriny, Dia nankany Asyria i Efraima, sady naniraka olona ho any amin\u2019ny mpanjaka lehibe. Tsy nahavita nitsabo anareo anefa izy, Sady tsy nahavita nanasitrana ny ferinareo.",
"14": "Ho toy ny liona tanora ho an\u2019i Efraima aho, Ary ho liona matanjaka ho an\u2019ny taranak\u2019i Joda. Izaho mihitsy no hamiravira azy ireo dia handeha, Ary hitondra azy aho, ka tsy hisy hamonjy azy.",
"15": "Handeha aho ka hiverina any amin\u2019ny toerana nisy ahy, ary tsy hiala any raha tsy efa avy nizaka ny vokatry ny nataony izy ireo. Dia hitady sitraka amiko izy ireo. Ary hitady fanampiana amiko izy rehefa azom-pahoriana mafy.\u201d"
},
"6": {
"1": "\u201cAndao hiverina amin\u2019i Jehovah, Fa izy no namiravira antsika, nefa izy koa no hanasitrana antsika. Izy no namely antsika, nefa izy koa no hanisy fehy lamba ny ratrantsika.",
"2": "Hataony velombelona indray isika rehefa afaka roa andro. Hatsangany isika amin\u2019ny andro fahatelo, Ka ho velona eo anatrehany.",
"3": "Dia hahalala an\u2019i Jehovah isika, sady mbola hiezaka mafy hahalala azy. Tena ho avy at\u1ef3 amintsika izy, toy ny masoandro tsy maintsy hiposaka. Ho tonga izy, toy ny orana mivatravatra, Sy hoatran\u2019ny oran-dohataona, izay mahavonto ny tany.\u201d",
"4": "\u201cHataoko ahoana re ianao, ry\u00a0Efraima\u00a0e? Ary hataoko ahoana re ianao, ry\u00a0Joda\u00a0e? Fa toy ny zavona maraina ny fitiavanareo, Sady hoatran\u2019ny ando vetivety dia levona.",
"5": "Noho izany, dia ny tenin\u2019ny mpaminany no hamelezako anareo, Ary ny teny holazaiko no hamonoako anareo. Hazava amin\u2019ny rehetra toy ny hazavana mamirapiratra ny didim-pitsarana manameloka anareo.",
"6": "Izay be fitiavana sy tsy mivadika mantsy no ankasitrahako, fa tsy izay manao sorona, Ary ny olona mahalala an\u2019Andriamanitra, fa tsy izay manao fanatitra dorana manontolo.",
"7": "Nivadika tamin\u2019ny fifanekena anefa ny vahoakako, hoatran\u2019ny olombelona ihany. Nivadika tamiko izy ireo tany amin\u2019ny taniny.",
"8": "Tan\u00e0nan\u2019ny mpanao ratsy i\u00a0Gileada, Ary nandatsaka ran\u2019olona be dia be izy ireo.",
"9": "Toy ny andiana mpandroba miafina mba hanafika olona ny mpisorona. Mamono olona eny an-dalana izy ireo ao Sekema. Tena mahamenatra ny zavatra ataony.",
"10": "Nahita zavatra maharikoriko teo amin\u2019ny taranak\u2019Israely aho: Zatra mijangajanga i Efraima, Ary efa nandoto ny tenany ny Israely.",
"11": "Efa misy fotoam-pijinjana natokana ho anao, ry\u00a0Joda\u00a0\u00f4, Rehefa angoniko izay babo tamin\u2019ny vahoakako ka averiko any amin\u2019ny taniny.\u201d"
},
"7": {
"1": "\u201cIsaky ny te hanasitrana ny Israely aho, Dia vao mainka hitako ny fahadisoan\u2019i Efraima, Sy ny ratsy ataon\u2019i Samaria. Fa zatra mamitaka izy ireo. Mamaky trano ny mpangalatra, ary manafika eny ivelany ny mpandroba.",
"2": "Tsy mba eritreretin\u2019izy ireo mihitsy anefa hoe tsy hohadinoiko ny zava-dratsy rehetra ataony. Ny ataony ihany no mamandrika azy, Ary tsy misy miafina amiko ireny.",
"3": "Mampifaly ny mpanjaka izy ireo rehefa manao zava-dratsy, Ary mampifaly ny andriana izy ireo rehefa mamitaka.",
"4": "Mpanitsakitsa-bady izy rehetra, Sady toy ny lafaoro efa nampirehetin\u2019ny mpanao mofo. Tsy manampy kitay intsony izy rehefa avy mamolavola koba, fa miandry mandra-pitombon\u2019ilay izy.",
"5": "Tamin\u2019ny andron\u2019ny mpanjakantsika, dia lasa narary ny andriana. Romotra izy ireo rehefa avy nisotro divay. Ninamana tamin\u2019ny mpaneso ny mpanjaka.",
"6": "Mahamay be hoatran\u2019ny ao anaty lafaoro ny ao am-pony, satria zava-dratsy ihany no tiany hatao. Matory mandritra ny alina ny mpanao mofo, Ary amin\u2019ny maraina dia mirehitra\u00a0be ny afon\u2019ilay lafaoro.",
"7": "Mahamay toy ny lafaoro izy rehetra, Ary ataony indray\u00a0mitelina ny mpitondra eo aminy. Nianjera daholo ny mpanjakany, Nefa tsy misy miantso ahy izy ireo.",
"8": "Mifangaroharo amin\u2019ireo firenena i Efraima, Ary hoatran\u2019ny mofo boribory tsy navadika ka tsy masaka ny tapany ambony.",
"9": "Nataon\u2019ny hafa firenena tsy misy hery intsony izy, nefa tsy fantany akory izany. Lasa fotsy daholo ny volony, nefa tsy tsikariny akory.",
"10": "Voaporofo hoe meloka ny Israely satria nirehareha. Tsy niverina tamin\u2019i Jehovah Andriamaniny anefa izy ireo, Sady tsy nitady azy, na dia efa izany rehetra izany aza no nanjo azy.",
"11": "Hoatran\u2019ny voromailala mora ambakaina sady tsy ampy saina i Efraima. Tany Ejipta mantsy izy no nangataka fanampiana, dia avy eo tany Asyria.",
"12": "Hovelariko eo amin\u2019izy ireo ny haratoko, na aiza na aiza alehany. Hampidiniko avy any ambony toy ny voro-manidina izy ireo. Hofaiziko koa izy araka ny efa nampitandremana azy.",
"13": "Hahita loza izy fa nandositra ahy! Ary ho ringana izy fa nandika ny lal\u00e0ko! Vonona ny hanavotra azy aho, nefa nandainga momba ahy izy.",
"14": "Mba nangataka fanampiana tamiko izy ireo, nefa tsy avy amin\u2019ny fony akory izany, Na dia nitaraindraina teo am-pandrianany aza izy. Nodidididiany ny tenany mba hahazoany varimbazaha sy divay vaovao. Lasa manohitra ahy izy ireo.",
"15": "Izaho mba nananatra sy nanatanjaka azy, Nefa izy nitetika ny hanao ratsy foana ka nanohitra ahy.",
"16": "Mba novany ihany ny zavatra fanaony, nefa tsy nihatsara akory. Tsy nisy nilana azy hoatran\u2019ny tsip\u00ecka migoragora izy ireo. Ho fatin\u2019ny sabatra ny andriana eo aminy satria tezitra sady manao vava\u00a0be. Noho izany, dia hesoin\u2019ny olona izy ireo any Ejipta.\u201d"
},
"8": {
"1": "\u201cTsofy ny anjombona! Fa misy fahavalo hoatran\u2019ny voromahery tonga hamely ny tranon\u2019i Jehovah, Satria nivadika tamin\u2019ny fifanekena nataoko taminy izy ireo, sady nandika ny lal\u00e0ko.",
"2": "Miantso ahy izy ireo ka miteny hoe: \u2018Ry\u00a0Andriamanitray \u00f4, mahafantatra anao izahay Israely.\u2019",
"3": "Tsy nanao ny tsara intsony anefa ny Israely. Dia avelao izy henjehin\u2019ny fahavalo!",
"4": "Efa nanendry mpanjaka izy ireo, nefa tsy niteny tamiko akory. Efa nanendry andriana izy, nefa tsy niera tamiko. Ny volafotsiny sy ny volamenany no nanaovany sampy, Ka ho ringana izy ireo.",
"5": "Nariako ilay zanak\u2019ombinao, ry\u00a0Samaria\u00a0\u00f4! Tezitra be aminao aho. Rahoviana ihany ianao vao tsy hanan-tsiny intsony?",
"6": "Fa avy tamin\u2019ny Israely ilay zanak\u2019ombin\u2019i Samaria. Mpanao asa tanana no nanao azy, ka tsy Andriamanitra izy\u00a0io, Dia hopotipotehina.",
"7": "Fa rivotra no afafiny, Ka tadio no hojinjainy. Tsy mamoa ny varimbazaha na dia maniry aza. Ary na mamoa aza dia tsy ahazoana lafarinina, Ary na ahazoana lafarinina aza, dia ny hafa firenena no hihinana azy.",
"8": "Hatelin\u2019ny fahavalo ny Israely. Ho lasa any amin\u2019ireo firenena izy, Toy ny vilany tsy misy ilana azy.",
"9": "Niakatra tany Asyria izy, hoatran\u2019ny ampondradia mandeha any amin\u2019izay tiany fotsiny. Nanakarama mpivaro-tena i Efraima, dia ireny no niarahany.",
"10": "Na dia manakarama an\u2019ireny avy any amin\u2019ireo firenena aza izy ireo, Dia hanangona azy ireo aho. Hijaly izy ireo satria hampitondra enta-mavesatra azy ny mpanjaka sy ny andriana.",
"11": "Vao mainka nanao alitara be dia be i Efraima ka nanota. Nihamaro ny alitarany ka vao mainka izy ireo nanota.",
"12": "Nanoratra lal\u00e0na be dia be aho, Nefa tsy noraharahiany ireny.",
"13": "Manolotra fanatitra atao fanomezana ho ahy izy ireo, dia mihinana ny henan\u2019ilay fanatitra. Tsy tian\u2019i Jehovah anefa ireny fanatitra ireny. Hahatsiaro ny fahadisoan\u2019izy ireo izy, ka hanasazy azy noho izy nanota. Niverina tany Ejipta izy ireo.",
"14": "Nanadino ny Mpanao azy ny Israely, ka nanorina tempoly be dia be, Ary ny Joda vao mainka nanao tan\u00e0na be dia be, sady nasiany manda ireny. Handefasako afo anefa ireny tan\u00e0na ireny, Ka ho levon\u2019ny afo ny tilikambon\u2019ny tan\u00e0na tsirairay.\u201d"
},
"9": {
"1": "\u201cAza mifaly, ry Israely\u00a0\u00f4! Aza mifalifaly hoatran\u2019ireo firenena! Fa nijangajanga ianao ka niala tamin\u2019ny Andriamanitrao. Mivaro-tena eny amin\u2019ny famoloana rehetra eny ianao, ary tianao ny karama azonao amin\u2019izany.",
"2": "Tsy hahavita hamelona anao anefa ny famoloana sy ny lavaka famiazam-boaloboka, Ary tsy hanana divay vaovao intsony ianao.",
"3": "Tsy hipetraka eo amin\u2019ny tanin\u2019i Jehovah intsony ny Israely. Fa hiverina any Ejipta kosa i\u00a0Efraima, Ary hihinana zavatra maloto any Asyria izy ireo.",
"4": "Tsy handraraka divay hatao fanatitra ho an\u2019i Jehovah intsony izy ireo. Tsy hankasitrahany koa ny sorona ataon\u2019izy ireo. Toy ny mofo hohanina rehefa misaona ireny, Ka handoto ny tenany izay rehetra mihinana azy. Izy ireo ihany no hihinana ny mofony, Fa tsy hoentina ao an-tranon\u2019i Jehovah izany.",
"5": "Inona no hataonareo rehefa tonga ilay andro fivorianareo, Ilay andro fankalazanareo fety ho an\u2019i Jehovah?",
"6": "Tsy maintsy handositra izy ireo satria haringana. Dia hanangona azy ireo i\u00a0Ejipta, fa i Memfisa kosa handevina azy. Ho rakotry ny tsilo ny zava-tsarobidiny vita amin\u2019ny volafotsy, Ary hisy kirihitra feno tsilo ao amin\u2019ny tranolainy.",
"7": "Ho avy ny andro hanasaziana. Ho avy koa ny andro hamaliana, Ary ho fantatry ny Israely izany. Ho lasa adala ny mpaminaniny, ary ho very saina koa ny olona mihambo ho mitondra ny tenin\u2019Andriamanitra. Betsaka mantsy ny fahadisoanao, ka ho betsaka koa no hankahala anao.\u201d",
"8": "Nanaraka ny tenin\u2019ilay Andriamanitro ny mpiambin\u2019i Efraima. Toy ny fandrika ataon\u2019ny mpamandri-borona anefa izao ny zava-drehetra ataon\u2019ny mpaminaniny. Misy mpankahala ao an-tranon\u2019Andriamanitra.",
"9": "Efa tafahoatra loatra ny ratsy nataon\u2019ny Israely, hoatran\u2019ny tamin\u2019ny andron\u2019i Gibea. Hotsaroan\u2019Andriamanitra ny fahadisoany, ka hosaziny izy ireo satria nanota.",
"10": "\u201cTamin\u2019izaho nahita ny Israely, dia toy ny nahita voaloboka tany an-tany efitra, Ary tamin\u2019izaho nahita ny razambenareo, dia hoatran\u2019ny nahita aviavy masaka voalohany, teo amin\u2019ny aviavy vokatra aloha\u00a0be. Nanaraka an\u2019i Balan\u2019i Peora anefa izy ireo, Sady nanokan-tena ho an\u2019ilay zavatra mahamenatra, Ka lasa naharikoriko hoatran\u2019ilay zavatra tiany.",
"11": "Lasa manidina hoatran\u2019ny vorona ny voninahitr\u2019i Efraima, Ka tsy hisy vehivavy hiteraka na ho bevohoka na hitoe-jaza ao.",
"12": "Na mitaiza aza izy ireo, Dia haripako daholo ny zanany ka tsy hisy hiangana na iray aza. Hahita loza koa izy ireo rehefa ialako!",
"13": "Nambolena teo amin\u2019ny toerana be\u00a0vilona i Efraima, ka hoatran\u2019i Tyro izy amiko. Izao anefa izy tsy maintsy mitondra ny zanany hovonoin\u2019ny fahavalo.\u201d",
"14": "Omeo ny sahaza azy izy, Jehovah\u00a0\u00f4! Ataovy mora afa-jaza izy ireo, ary avelao ho ritra ny nonony.",
"15": "\u201cTao Gilgala izy ireo no nanao ny zava-dratsy rehetra, ka lasa halako izy ireo tao. Horoahiko hiala ao an-tranoko izy ireo satria nanao ratsy. Tsy ho tiako intsony izy ireo, Fa mafy loha ny andrianany rehetra.",
"16": "Hazera toy ny hazo i Efraima. Ho maina ny fakany, ka tsy hisy voany intsony izy ireo. Ary na miteraka aza izy ireo, dia hovonoiko ho faty ny zanany tiany.\u201d",
"17": "Tsy ho tian\u2019ilay Andriamanitro intsony izy ireo, Satria tsy nihaino azy, Ka ho lasa mpirenireny any amin\u2019ireo firenena."
},
"10": {
"1": "\u201cVoaloboka efa simba ny Israely, sady mamoa. Rehefa mihabetsaka ny voany, dia vao mainka manao alitara be dia be izy. Rehefa mihamamokatra ny taniny, dia vao mainka ataony tsara tarehy ny tsato-kazony masina.",
"2": "Mihatsaravelatsihy ny fony, Ka ho hita hoe meloka izy ireo. Hisy hanapotika ny alitarany, ary hisy handrava ny tsato-kazony masina.",
"3": "Dia hiteny izy ireo hoe: \u2018Tsy manana mpanjaka isika, satria tsy natahotra an\u2019i Jehovah. Ary na manana aza moa, inona no ho azony atao ho antsika?\u2019",
"4": "Manao fampanantenana poakaty izy ireo, mianiana lainga, ary manao fifanekena. Hoatran\u2019ny zavamaniry misy poizina eny an-tanimboly \u00e0ry ny tsy rariny.",
"5": "Hatahotra noho izay hanjo an\u2019ilay zanak\u2019omby nataony sampy tao Beti-avena ny mponin\u2019i Samaria. Halahelo an\u2019ilay sampy izy ireo Sy ny mpisoron\u2019ny andriamani-kafa, izay nirehareha er\u1ef3 tamin\u2019ilay zanak\u2019omby sy tamin\u2019ny voninahitr\u2019izy\u00a0io. Hatao sesitany lavitra azy ireo mantsy ilay zanak\u2019omby.",
"6": "Hoentina any Asyria izy io ka hatao fanomezana ho an\u2019ny mpanjaka lehibe. Hatao afa-baraka i Efraima, Ary ho afa-baraka ny Israely satria nanaraka ny torohevitr\u2019izy io.",
"7": "Haringana i Samaria sy ny mpanjakany, Toy ny tapaka rantsankazo eny ambony rano.",
"8": "Horavana ny toerana avo ao Beti-avena, izay nahatonga ny Israely hanota. Hisy tsilo haniry eo amin\u2019ny alitarany. Dia hilaza amin\u2019ny tendrombohitra ny olona hoe: \u2018Sar\u00f2ny izahay!\u2019, Ary amin\u2019ny havoana hoe: \u2018Mianjer\u00e0 aminay!\u2019",
"9": "Efa tamin\u2019ny andron\u2019ireny zavatra nitranga tany Gibea ireny ny Israely no nanota. Tsy niova mihitsy izy ireo tany. Tsy ripaky ny ady daholo ny olona nanao ny tsy marina tany Gibea.",
"10": "Hanafay azy ireo \u00e0ry aho rehefa te hanao an\u2019izany. Ary hisy firenena hangonina hamely azy, Rehefa hafatotra eo amin\u2019ny vozony ny fahadisoana roa nataony.",
"11": "Vantotr\u2019ombivavy efa nozarina hiasa i Efraima, ary tia niasa teny am-pamoloana izy, Dia tsy nasiako zioga ny vozony tsara tarehy. Hasaiko hotaingenan\u2019olona anefa izao i Efraima, Dia hiasa tany i Joda, ary i\u00a0Jakoba hamaky bainga.",
"12": "Afafazo ny marina, dia hijinja fitiavana tsy mety lefy ianareo. Tany azo volena no asao, Dieny mbola misy ny fotoana itadiavana an\u2019i Jehovah, Mandra-pahatongany hampianatra anareo hanao ny marina.",
"13": "Namafy voa ratsy anefa ianareo satria nanao ratsy, Dia nijinja zava-dratsy. Namitaka ianareo dia nihinana ny vokatr\u2019izany. Natoky tena mantsy ianareo, Sady natoky an\u2019ireo miaramilanareo be dia\u00a0be.",
"14": "Dia hihorakoraka hanafika ny firenenareo ny fahavalo. Ary horavana daholo ny tan\u00e0nanareo misy manda, Toy ny nandravan\u2019i Salamana ny tranon\u2019i Arbela, Tamin\u2019ilay andron\u2019ny ady, rehefa niara-natao torotoro ny vehivavy sy ny zanany.",
"15": "Izany no hatao aminareo, ry\u00a0Betela, satria be loatra ny ratsy vitanareo. Rehefa mazava ratsy ny andro, dia tsy maintsy haringana ny mpanjakan\u2019ny Israely.\u201d"
},
"11": {
"1": "\u201cTiako ny Israely tamin\u2019izy mbola kely, Ary nantsoiko hiala avy tany Ejipta ny zanako.",
"2": "Arakaraka ny niantsoan\u2019ireny azy ireo No vao mainka nampitsoaka azy. Nanao sorona ho an\u2019ny sarin\u2019i Bala foana izy ireo, Ary nanao sorona ho an\u2019ny sary sokitra.",
"3": "Izaho anefa no nampianatra an\u2019i Efraima handeha, sy nitrotro azy. Tsy nekeny anefa hoe izaho no nanasitrana azy.",
"4": "Tady fitarihana olona no nitarihako azy ireo, dia tadim-pitiavana. Dia nesoriko teo amin\u2019ny vozon\u2019izy ireo ny ziogany, Ary nanome sakafo azy tsirairay aho sady tsara fanahy taminy.",
"5": "Tsy hiverina any Ejipta izy ireo, fa i Asyria no ho mpanjakany, Satria tsy nety niverina tamiko izy.",
"6": "Ary hisy sabatra hihodinkodina ka hamely an\u2019ireo tan\u00e0nany, Dia hanapatapaka ny bara hidim-bavahadiny sy handripaka azy ireo, satria izy ireo nitetika ny hanao ratsy.",
"7": "Aleon\u2019ny vahoakako mivadika amiko. Na dia nantsoina hiverina ho any amin\u2019ilay avo aza izy ireo, dia tsy misy mitsangana na iray aza.",
"8": "\u201cHataoko ahoana anefa ny hahafoy anao, ry\u00a0Efraima\u00a0\u00f4? Ary hataoko ahoana no hanolotra anao amin\u2019ny fahavalonao, ry\u00a0Israely\u00a0\u00f4? Hataoko ahoana no handrava anao hoatran\u2019i Adma? Ary hataoko ahoana no handrava anao hoatran\u2019i Zeboima? Fa efa niova hevitra aho, Sady tena te hangoraka anao.",
"9": "Tsy hanampatra ny hatezerako aho. Tsy handringana an\u2019i Efraima intsony koa aho. Andriamanitra mantsy aho fa tsy olona, Ary izaho Ilay Masina eo aminareo. Tsy hamely anareo amin-katezerana aho.",
"10": "Hanaraka an\u2019i Jehovah izy ireo, ary hierona hoatran\u2019ny liona Andriamanitra. Rehefa mierona izy, dia hangovitra ny zanany ka hanatona azy avy any andrefana.",
"11": "Hangovitra hoatran\u2019ny vorona izy ireo rehefa mivoaka avy any Ejipta, Dia hangovitra hoatran\u2019ny voromailala rehefa mivoaka avy any Asyria. Ary hapetrako ao an-tranony izy ireo\u201d, hoy i Jehovah.",
"12": "\u201cNataon\u2019i Efraima voahodidina lainga aho, Ary nataon\u2019ny taranak\u2019Israely voahodidina fitaka. Ny Joda anefa mbola miara-mandeha amin\u2019Andriamanitra, Ary tsy mivadika amin\u2019Ilay Masina Indrindra.\u201d"
},
"12": {
"1": "\u201cMihinana rivotra i Efraima, Ary manenjika rivotra avy any atsinanana izy mandritra ny andro. Vao mainka mandainga sy mahery setra izy. Fa manao fifanekena amin\u2019i Asyria izy, ary mitondra menaka mankany Ejipta.",
"2": "Miady amin\u2019ny Joda any amin\u2019ny fitsarana i Jehovah. Hataony ampamoaka i Jakoba noho ny ratsy nataony, Ary hovaliany araka izay nataony.",
"3": "Notazoniny ny voditongotry ny rahalahiny, tamin\u2019izy tao an-kibo. Nitolona tamin\u2019Andriamanitra araka izay fara heriny koa izy.",
"4": "Nitolona tamin\u2019ny anjely izy, ary nandresy. Nitomany izy sady nitalaho mafy taminy.\u201d Nahita azy tao Betela Andriamanitra, ary tao Izy no niresaka tamintsika.",
"5": "Izy no Jehovah Andriamanitry ny tafika, Ary Jehovah no anarana ahatsiarovana azy.",
"6": "\u201cMiverena \u00e0ry amin\u2019ny Andriamanitrao. Miezaha foana ho be\u00a0fitiavana sy tsy hivadika ary hanao ny rariny, Sady hanantena an\u2019ilay Andriamanitrao.",
"7": "Eny an-tanan\u2019ny mpivarotra anefa ny mizana mandainga, Ary tia manambaka izy.",
"8": "Hoy foana i Efraima: \u2018Lasa mpanankarena aho, Ary efa nahazo harem-be. Ho hitan\u2019izy ireo fa tsy mba manao ratsy na manota aho, amin\u2019ny asa mafy rehetra ataoko.\u2019",
"9": "Izaho anefa no Jehovah Andriamanitrao, nanomboka tamin\u2019ianao tany Ejipta. Hataoko mipetraka ao anaty tranolay indray ianao, Hoatran\u2019ny amin\u2019ny andro voatondro.",
"10": "Niteny tamin\u2019ny mpaminany aho. Nataoko nahita fahitana be dia be izy ireo, Ary nasaiko nilaza fanoharana.",
"11": "Namitaka sy nanao ny tsy marina ny olona tao Gileada. Namono omby hatao sorona izy ireo tao Gilgala, Ary hoatran\u2019ny vato mifanaingina eny an-tanimboly ny alitarany.",
"12": "Nandositra nankany amin\u2019ny faritr\u2019i Arama i Jakoba. Nanompo tany i Israely mba hahazoana vady. Te hahazo vady izy ka niandry ondry.",
"13": "Mpaminany no nasain\u2019i Jehovah nitondra ny Israely niakatra avy tany Ejipta, Ary mpaminany koa no nasainy niambina azy.",
"14": "Nampahatezitra an\u2019Andriamanitra sy nanao izay hampalahelo azy i Efraima. Nandatsaka ran\u2019olona izy ka tsy havela ny helony. Dia hovalian\u2019ilay Tompony izy satria nanala baraka azy.\u201d"
},
"13": {
"1": "\u201cNangovitra be ny olona rehefa niteny i Efraima. Nalaza teo amin\u2019ny Israely izy. Lasa meloka anefa izy ka maty satria nanompo an\u2019i Bala.",
"2": "Vao mainka izy ireo izao manota, Ka manao sarivongana amin\u2019ny volafotsiny. Tena mahay manamboatra sampy izy ireo. Asan\u2019ny mpanao asa tanana daholo ireny. Hoy izy ireo amin\u2019ireny: \u2018Asaivo manoroka an\u2019ireo zanak\u2019omby ireo ny olona manao sorona.\u2019",
"3": "Ho lasa hoatran\u2019ny zavona maraina \u00e0ry izy ireo, Toy ny ando levona vao maraina, Hoatran\u2019ny akofa eny am-pamoloana tsofin\u2019ny rivotra mifofofofo, Ary hoatran\u2019ny setroka mivoaka eo amin\u2019ny lavaky ny tafo.",
"4": "Izaho anefa no Jehovah Andriamanitrao, nanomboka tamin\u2019ianao tany Ejipta. Tsy nahafantatra Andriamanitra afa-tsy izaho ianao, Ary tsy misy mpamonjy afa-tsy izaho.",
"5": "Izaho no nikarakara anao tany an-tany efitra, tany amin\u2019ny tany karakaina.",
"6": "Voky izy ireo rehefa nentina teny amin\u2019ny tany be\u00a0vilona. Voky izy ireo ka lasa niavonavona, Dia hadinony aho.",
"7": "Ho toy ny liona tanora ho azy ireo aho, Ary ho hoatran\u2019ny leopara mamitsaka eny amoron-dalana.",
"8": "Hanafika azy aho, hoatran\u2019ny ataon\u2019ny orsa very anaka, Ka hataoko rotidrotika ny tratrany. Handrapaka azy koa aho, hoatran\u2019ny fanaon\u2019ny liona, Ary hoviravirain\u2019ny bibidia izy.",
"9": "Handringana anao izany, ry\u00a0Israely\u00a0\u00f4, Satria ianao nanohitra ahy, nefa izaho nanampy anao.",
"10": "Aiza \u00e0ry izay mpanjakanao, mba hamonjy anao any amin\u2019ny tan\u00e0nanao rehetra, Dia aiza koa izay mpitsaranao? Fa ianao ihany no niteny hoe: \u2018Omeo mpanjaka sy andriana izahay.\u2019",
"11": "Tezitra aho nefa nomeko mpanjaka ihany ianao, Ary ho tezitra be aho ka hesoriko tsy ho mpanjaka izy.",
"12": "Efa voafono tsara ny fahadisoan\u2019i Efraima. Efa tsara tahiry ny fahotana vitany.",
"13": "Hanaintaina hoatran\u2019ny vehivavy mihetsi-jaza izy. Tsy zaza hendry koa izy, Satria tsy mety mivoaka rehefa tonga ny fotoana ahaterahany.",
"14": "Havotako avy any amin\u2019ny Fasana Sy ny fahafatesana izy ireo. Aiza koa ianao izay manindrona eo, ry\u00a0Fahafatesana\u00a0\u00f4? Aiza koa ianao izay mandravarava eo, ry\u00a0Fasana\u00a0\u00f4? Mbola tsy hangoraka an\u2019i Efraima ihany anefa aho.",
"15": "Na maniry be hoatran\u2019ny bararata aza izy, Dia ho avy ny rivotra avy any atsinanana, izay rivotra avy amin\u2019i Jehovah. Mitsoka avy any amin\u2019ny tany karakaina izany, ka hataony maina ny lavadranony ary hataony ritra ny loharanony. Horobainy daholo ny harenany sarobidy rehetra.",
"16": "Ho meloka i Samaria, satria nikomy tamin\u2019ny Andriamaniny. Ho fatin\u2019ny sabatra izy ireo. Ny zanany hatao torotoro, Ary ny kibon\u2019ny vehivavy bevohoka ao hotatahana.\u201d"
},
"14": {
"1": "\u201cMiverena amin\u2019i Jehovah Andriamanitrao, ry\u00a0Israely\u00a0\u00f4! Lavo mantsy ianao noho ny fahadisoana nataonao.",
"2": "Miverena amin\u2019i Jehovah ka milaz\u00e0 aminy hoe: \u2018Mba avelao ny fahadisoanay ary mba ekeo izay tsara avy aminay, Dia hidera anao izahay ka ho toy ny fanatitra vantotr\u2019ombilahy ny fiderana ataon\u2019ny molotray!",
"3": "Tsy hamonjy anay i Asyria, Ary tsy hitaingin-tsoavaly izahay. Tsy hiteny amin\u2019ny asan\u2019ny tananay intsony izahay hoe: \u201cIanao no Andriamanitray!\u201d Ianao mantsy no mamindra\u00a0fo amin\u2019ny kamboty ray.\u2019",
"4": "Hanasitrana azy ireo aho, dia tsy hivadika amiko intsony izy. Sitrapoko ny ho tia azy, Satria tsy tezitra aminy intsony aho.",
"5": "Ho toy ny ando ho an\u2019ny Israely aho, Dia hamelana hoatran\u2019ny lisy izy, Ary hisy fakany lava be hoatran\u2019ny fakan\u2019ny hazon\u2019i Lib\u00e0na.",
"6": "Hisandrahaka ireo rantsany, Dia ho tsara tarehy hoatran\u2019ny hazo oliva izy, Ary ho manitra be hoatran\u2019ny hazon\u2019i Lib\u00e0na.",
"7": "Hipetraka eo ambany alokaloko indray ny vahoakako. Hamboly varimbazaha izy ireo, ary hitsimoka hoatran\u2019ny voaloboka. Dia halaza be hoatran\u2019ny divain\u2019i Lib\u00e0na aho.",
"8": "Hiteny i Efraima hoe: \u2018Inona intsony no ilako sampy?\u2019 Fa hihaino azy aho ary hikarakara azy. Ho lasa hoatran\u2019ny hazo zenevrie midoroboka aho, Dia ho eo amiko izy no haka voankazo.\u201d",
"9": "Iza no hendry? Asaivo miezaka hahazo ny dikan\u2019izany izy! Ary iza no malina? Asaivo miezaka hahalala an\u2019izany izy! Fa mahitsy ny lalan\u2019i Jehovah, Ka ny olo-marina no handeha eo amin\u2019izy\u00a0io, Fa ny mpandika lal\u00e0na kosa ho lavo\u00a0eo."
},
"meta": {
"name": "Hosea",
"order": 27,
"chapter_number": 14
}
}