UNPKG

mg-bibles

Version:

A package for accessing Bible verses in Malagasy (MG), Diem, King James (KJV), and Louis Segond (APEE) versions

50 lines (49 loc) 8.23 kB
{ "1": { "1": "Tamin\u2019ny voalohan\u2019ny volana fahenina tamin\u2019ny taona faharoa nanjakan\u2019i Dariosy Mpanjaka, dia nasain\u2019i Jehovah nampita ny teniny i Hagay mpaminany. Nasainy nolazaina tamin\u2019i Zerobabela zanak\u2019i Sealtiela, governoran\u2019i Joda, sy tamin\u2019i Josoa mpisoronabe zanak\u2019i Jozadaka, hoe:", "2": "\u201cIzao no nolazain\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika: \u2018Miteny ity vahoaka ity hoe: \u201cMbola tsy izao no fotoana hanaovana ny tranon\u2019i Jehovah.\u201d\u2019\u201d", "3": "Dia izao indray no nasain\u2019i Jehovah nolazain\u2019i Hagay mpaminany:", "4": "\u201cIzao ve no fotoana tokony hipetrapetrahanareo ao anaty trano voaravaka hazo tsara tarehy, nefa ity trano ity rava?", "5": "Izao \u00e0ry no tenin\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika: \u2018Mba eritrereto ihany izay ataonareo.", "6": "Mamafy voa be dia be ianareo, nefa kely no jinjainareo. Mihinana ianareo nefa tsy voky. Misotro divay ianareo nefa tsy afa-po. Manao akanjo ianareo nefa tsy mba misy mafana. Ary izay mikarama dia mametraka ny karamany ao anaty kitapo loaka.\u2019\u201d", "7": "\u201cIzao no tenin\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika: \u2018Mba eritrereto ihany izay ataonareo.\u2019", "8": "\u201c\u2018Miakara any an-tendrombohitra\u2019, hoy i Jehovah, \u2018dia mak\u00e0 hazo any. Dia ataovy ity trano ity, mba hampifaliana ahy sy hanomezam-boninahitra ahy.\u2019\u201d", "9": "\u201c\u2018Nanantena hahazo be dia be ianareo, nefa kely fotsiny no azonareo. Nentinareo tao an-trano izany, nefa notsofiko dia nanjavona\u2019, hoy i Jehovah Tompon\u2019ny tafika. \u2018Fa nahoana? Satria rava ny tranoko, nefa ianareo samy maika hikarakara ny tranonareo avy.", "10": "Tsy nandatsaka ando taminareo \u00e0ry ny lanitra, ary tsy nanome vokatra ny tany.", "11": "Ary nataoko maina ny taninareo sy ny tendrombohitra, ka lasa tsy nisy ny varimbazaha sy ny divay vaovao ary ny menaka. Lasa tsy nisy koa ny vokatry ny tany. Dia nijaly ianareo sy ny biby fiompy, ary very maina fotsiny ny asa mafy nataonareo.\u2019\u201d", "12": "Dia nihaino ny tenin\u2019i Jehovah Andriamaniny i Zerobabela zanak\u2019i Sealtiela, sy Josoa mpisoronabe zanak\u2019i Jozadaka, ary ny vahoaka sisa rehetra. Nihaino ny tenin\u2019i Hagay mpaminany koa izy ireo satria nirahin\u2019i Jehovah Andriamaniny izy. Dia nanomboka natahotra an\u2019i Jehovah ny vahoaka.", "13": "Izao no hafatra nasain\u2019i Jehovah nolazain\u2019i Hagay, irak\u2019i Jehovah, tamin\u2019ny vahoaka: \u201c\u2018Hanampy anareo aho\u2019, hoy i Jehovah.\u201d", "14": "Dia nentanin\u2019i Jehovah i Zerobabela zanak\u2019i Sealtiela, governoran\u2019i Joda, sy Josoa mpisoronabe zanak\u2019i Jozadaka, ary ny vahoaka sisa rehetra. Natombok\u2019izy ireo \u00e0ry ny asa tao an-tranon\u2019ny Andriamaniny, dia i Jehovah Tompon\u2019ny tafika.", "15": "Izany no nitranga tamin\u2019ny andro faha-24 amin\u2019ny volana fahenina, tamin\u2019ny taona faharoa nanjakan\u2019i Dariosy Mpanjaka." }, "2": { "1": "Nasain\u2019i Jehovah nampita an\u2019izao teniny izao i Hagay mpaminany, tamin\u2019ny andro faha-21 amin\u2019ny volana fahafito:", "2": "\u201cMba anontanio i Zerobabela zanak\u2019i Sealtiela, governoran\u2019i Joda, sy Josoa mpisoronabe zanak\u2019i Jozadaka, ary ny vahoaka sisa rehetra, hoe:", "3": "\u2018Iza aminareo no nahita an\u2019ity trano ity tamin\u2019ilay voninahiny taloha? Dia ahoana no fahitanareo azy izao? Tsy hitanareo hoe hoatran\u2019ny tsy misy dikany ve raha oharina amin\u2019ilay taloha?\u2019", "4": "\u201c\u2018Mahereza anefa, ry Zerobabela\u00a0\u00f4!\u2019, hoy i Jehovah, \u2018ary mahereza, ry\u00a0Josoa mpisoronabe zanak\u2019i Jozadaka!\u2019 \u201c\u2018Mahereza daholo koa ianareo mponin\u2019ity tany ity, ka mias\u00e0\u2019, hoy i Jehovah. \u201c\u2018Fa manampy anareo aho\u2019, hoy i Jehovah Tompon\u2019ny tafika.", "5": "\u2018Tadidio izay nampanantenaiko anareo tamin\u2019ianareo nivoaka avy tany Ejipta. Mbola eo aminareo foana koa ny fanahiko. Aza matahotra.\u2019\u201d", "6": "\u201cFa izao no tenin\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika: \u2018Mbola hohozongozoniko indray ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny tany maina, ary kely sisa dia hataoko izany.\u2019", "7": "\u201c\u2018Ary hohozongozoniko ny firenena rehetra, ka hiditra ato amin\u2019ity trano ity ny zava-tsarobidy eo amin\u2019ny firenena rehetra. Dia hofenoiko voninahitra ity trano ity\u2019, hoy i Jehovah Tompon\u2019ny tafika.", "8": "\u201c\u2018Ahy ny volafotsy, ary ahy ny volamena\u2019, hoy i Jehovah Tompon\u2019ny tafika.", "9": "\u201c\u2018Ho be\u00a0voninahitra kokoa noho ilay trano taloha ity trano ity\u2019, hoy i Jehovah Tompon\u2019ny tafika. \u201c\u2018Ary homeko fiadanana ianareo eto amin\u2019ity toerana ity\u2019, hoy i Jehovah Tompon\u2019ny tafika.\u201d", "10": "Izao no tenin\u2019i Jehovah tamin\u2019i Hagay mpaminany, tamin\u2019ny andro faha-24 amin\u2019ny volana fahasivy, tamin\u2019ny taona faharoa nanjakan\u2019i Dariosy:", "11": "\u201cIzao no tenin\u2019i Jehovah Tompon\u2019ny tafika: \u2018Mba anontanio any amin\u2019ny mpisorona izay lazain\u2019ny lal\u00e0na momba an\u2019izao:", "12": "\u201cRaha mitondra hena masina ao anatin\u2019ny akanjony ny olona anankiray, ka misy mofo na zavatra nandrahoina na divay na menaka na karazan-tsakafo hafa voakasik\u2019ilay akanjony, dia ho lasa masina koa ve izany sakafo izany?\u201d\u2019\u201d Dia hoy ny mpisorona: \u201cTsia!\u201d", "13": "Nanontany indray i Hagay hoe: \u201cRaha misy olona maloto satria nikasika faty, nefa avy eo nikasika ny iray tamin\u2019ireo zavatra ireo, dia haloto ve ilay izy?\u201d Dia hoy ny mpisorona: \u201cHaloto!\u201d", "14": "Ary hoy i Hagay: \u201cHoatr\u2019izany ity vahoaka ity, ary hoatr\u2019izany ity firenena ity eo anatrehako\u2019, hoy i Jehovah. \u2018Toy izany koa izay rehetra ataony. Maloto daholo izay zavatra ataony sorona.\u2019", "15": "\u201c\u2018Mba eritrereto ihany anefa izao manomboka androany: Tamin\u2019ny mbola tsy nisy vato narafitra hanorenana ny tempolin\u2019i Jehovah,", "16": "dia inona no nitranga? Rehefa nisy nankeo amin\u2019ny antontam-bary ka nanantena hahazo indroapolon\u2019ny famarana, dia folo fotsiny no teo. Rehefa nisy indray nankeo amin\u2019ny fanantazana divay mba hanovo divay indimampolon\u2019ny famarana, dia 20 fotsiny no tao.", "17": "Dia nalefako hamely anareo, izany hoe hamely ny zavatra rehetra nisasaranareo, ny rivotra mahamay sy ny aretin-javamaniry ary ny havandra. Tsy mba nisy niverina tamiko anefa ianareo\u2019, hoy i Jehovah.", "18": "\u201c\u2018Androany faha-24 amin\u2019ny volana fahasivy no andro ametrahana ny fototry ny tempolin\u2019i Jehovah. Manomboka androany \u00e0ry, dia mba eritrereto tsara izao:", "19": "Efa misy voa ve ao amin\u2019ny trano fitehirizam-bokatra? Ary mbola tsy mamoa ihany ve ny voaloboka sy ny aviavy sy ny ampongabendanitra ary ny oliva? Hitahy anareo anefa aho manomboka androany.\u2019\u201d", "20": "Dia niteny fanindroany tamin\u2019i Hagay i Jehovah tamin\u2019ny andro faha-24 amin\u2019ny volana, hoe:", "21": "\u201cLazao amin\u2019i Zerobabela governoran\u2019i Joda hoe: \u2018Hohozongozoniko ny lanitra sy ny tany.", "22": "Dia haongako ny seza fiandrianan\u2019ireo fanjakana, ary hofoanako ny herin\u2019ny fanjakan\u2019ireo firenena. Haongako koa ny kalesy sy ny mpitaingina azy. Izy samy izy ihany no hifamono amin\u2019ny sabatra, ka ho fatin\u2019ny sabatra ny soavaly sy ny mpitaingina azy.\u2019\u201d", "23": "\u201cHoy i Jehovah Tompon\u2019ny tafika: \u2018Hampiasa anao aho amin\u2019izany andro izany, ry\u00a0Zerobabela mpanompoko zanak\u2019i Sealtiela\u2019, hoy i Jehovah, \u2018ka hataoko hoatran\u2019ny peratra fanombohan-kase ianao, satria ianao no nofidiko\u2019, hoy i Jehovah Tompon\u2019ny tafika.\u201d" }, "meta": { "name": "Hagay", "order": 36, "chapter_number": 2 } }