UNPKG

mg-bibles

Version:

A package for accessing Bible verses in Malagasy (MG), Diem, King James (KJV), and Louis Segond (APEE) versions

70 lines (69 loc) 11.3 kB
{ "1": { "1": "Izao no nolazaina tamin\u2019i Habakoka mpaminany, tao amin\u2019ny fahitana:", "2": "Jehovah\u00a0\u00f4, mandra-pahoviana aho no hiantso vonjy nefa tsy henoinao? Mandra-pahoviana aho no hangataka aminao hoe vonjeo amin\u2019ny herisetra, nefa ianao tsy manao na inona na inona?", "3": "Fa maninona aho no avelanao hahita olona manao ratsy? Maninona no jerenao fotsiny ny olona manjakazaka? Maninona koa aho no mahita olona mandroba sy mahery setra? Ary maninona no mifamaly sy miady ny olona hatraiza hatraiza?", "4": "Dia lasa tsy manan-kery ny lal\u00e0na, Ary tsy misy manao ny rariny intsony. Fa voahodidin\u2019ny ratsy fanahy ny olo-marina, Ka lasa miova tanteraka ny atao hoe rariny.", "5": "\u201cJereo ireo firenena, dia mandiniha tsara! Aoka ianareo ho gaga sy talanjona, Satria hisy zavatra hitranga amin\u2019ny andronareo, Dia zavatra tsy hinoanareo na dia holazaina aminareo aza.", "6": "Fa hampiasa ny Kaldeanina aho, Dia ilay firenena tsy mifaditrovana sady maimaika hanao zavatra. Mitety toerana midadasika eny ambonin\u2019ny tany izy ireo, Mba haka fonenana tsy azy.", "7": "Mampatahotra sy mampihorohoro izy ireo. Izy ireo ihany no mamaritra an\u2019izay eritreretiny hoe rariny, ary tsy raharahiany izay fahefana ankoatra ny azy.", "8": "Haingam-pandeha noho ny leopara ny soavalin\u2019izy ireo, Ary masiaka noho ny amboadia amin\u2019ny alina ny mpitaingin-tsoavaliny. Mihazakazaka ny soavaly fitondrany miady, Ary avy lavitra ny soavaliny. Misidina hoatran\u2019ny voromahery handeha hifaoka ny hazany izy ireo.", "9": "Ny hampiasa herisetra no efa masaka ao an-tsain\u2019izy rehetra. Miaraka daholo izy ireo ka mifofofofo hoatran\u2019ny rivotra avy any atsinanana, Ary manangona babo be dia be hoatran\u2019ny fasika.", "10": "Esoesoin\u2019izy ireo ny mpanjaka, Ary ihomehezany ny manam-pahefana ambony. Ihomehezany koa ny tan\u00e0na rehetra voaro mafy. Manao dongon-tany izy ireo, dia alainy ho babo ny tan\u00e0na.", "11": "Dia mifofofofo be hoatran\u2019ny rivotra izy ireo ka mandeha hatraiza hatraiza. Ho meloka anefa izy ireo, Satria lazainy fa ny andriamaniny no manome hery azy.\u201d", "12": "Tsy efa nisy hatramin\u2019izay ve ianao, Jehovah\u00a0\u00f4? Tsy ho faty ianao, Andriamanitro\u00a0\u00f4, Ilay Masina ivavahako. Ny hampihatra didim-pitsarana no nanendrenao azy ireo, Jehovah\u00a0\u00f4, Ary ny hanasazy no nifidiananao azy, ry\u00a0Vatolampy\u00a0\u00f4!", "13": "Madio loatra ny masonao ka tsy tia mijery zava-dratsy, Ary tsy tantinao mihitsy ny mahita zava-dratsy. Fa maninona anefa no jerenao fotsiny ny mpivadika, Ary maninona ianao no mangina fotsiny rehefa manjakazaka amin\u2019ny olona marina kokoa noho izy ny ratsy fanahy?", "14": "Fa maninona ny olombelona no ataonao hoatran\u2019ny trondro any an-dranomasina, Sy hoatran\u2019ny biby mandady tsy manana mpanjaka?", "15": "Ampiakariny amin\u2019ny lelam-pintana izy rehetra, Ka samboriny amin\u2019ny harato tarihina, Ary angoniny ao anatin\u2019ny haratony. Dia izany no mahatonga azy ho faly\u00a0be.", "16": "Izany no mahatonga azy hanao sorona ho an\u2019ny harato tarihina, Sy hanao sorona ho an\u2019ny haratony. Fa ireo no mahatonga ny anjara haniny ho matsiro, Sy ny sakafony ho tsara\u00a0be.", "17": "Izy ve dia havela hanafoana ny ao anaty harato tarihina foana, Sady havela handripaka firenena foana ka tsy hiantra mihitsy?" }, "2": { "1": "Hijoro foana eo amin\u2019ny toerana fiambenako aho, Ary tsy hiala eo ambony manda. Hiambina foana aho mba hahafantarako an\u2019izay holazainy amin\u2019ny alalako, Ary mba hahitako an\u2019izay havaly rehefa anarina aho.", "2": "Dia hoy i Jehovah tamiko: \u201cSoraty ny fahitana, sady ataovy mazava tsara eo amin\u2019ny takelaka fanoratana, Mba ho mora vakin\u2019izay mamaky azy mafy.", "3": "Fa mbola amin\u2019ny fotoana voatondro vao ho tanteraka ilay fahitana, Sady mihazakazaka mafy ho amin\u2019ny farany ka tsy handainga. Na dia hoatran\u2019ny hoe elaela aza ilay izy, dia andraso ihany, Satria tsy maintsy ho tanteraka. Tsy ho tara izany.", "4": "Jereo ilay olona mirehareha! Tsy mba manao izay mahitsy izy. Ny olo-marina anefa ho velona satria tsy mivadika.", "5": "Mamitaka ny divay, Ka tsy hahatratra ny tanjony ilay lehilahy manambony tena. Tsy mety voky hoatran\u2019ny Fasana izy, Sady hoatran\u2019ny fahafatesana, ka tsy mety afa-po. Angoniny foana ny firenena rehetra, Ary voriny ho ao aminy ny vahoaka rehetra.", "6": "Tsy izy rehetra ve no hanesoeso azy, sady hanao ohabolana sy ankamantatra mba hanaratsiana azy? Hiteny izy ireo hoe: \u2018Hahita loza ilay manangona zavatra tsy azy, Dia ilay mampitombo ny trosany. Mandra-pahoviana re\u00a0e?", "7": "Tsy hitsangana tampoka ve ny olona mitaky trosa aminao? Hifoha izy ireo ka hanozongozona mafy anao. Dia horobain\u2019izy ireo ianao.", "8": "Nandroba firenena maro ianao, Ka horobain\u2019ny vahoaka sisa rehetra koa. Nandatsaka ran\u2019olona mantsy ianao, Sady nahery setra tamin\u2019ny tany Sy ny tan\u00e0na ary izay nipetraka tao.", "9": "Hahita loza ilay manao ny tsy rariny mba hahazoana tombony ho an\u2019ny fianakaviany! Tiany haorina eny amin\u2019ny avo mantsy ny akaniny, Amin\u2019izay izy tsy ho tratran\u2019ny loza.", "10": "Namorona tetika ianao ka lasa afa-baraka ny taranakao. Nanota ianao rehefa nandringana vahoaka be dia\u00a0be.", "11": "Hisy vato hiantsoantso avy eo amin\u2019ny rindrina, Ary hisy vatan-kazo hamaly azy avy eny amin\u2019ny tafo.", "12": "Hahita loza ilay mandatsa-dra mba hanorenana tan\u00e0na, Ary manao ny tsy marina mba hananganana tan\u00e0na!", "13": "Tsy i Jehovah Tompon\u2019ny tafika ihany ve no mahatonga ny asa mafy ataon\u2019ny vahoaka ho levon\u2019ny afo fotsiny? Ary tsy izy ihany ve no mahatonga ny ezaka mafy ataon\u2019ireo firenena ho very maina fotsiny?", "14": "Fa ny tany ho feno fahalalana ny voninahitr\u2019i Jehovah, Hoatran\u2019ny rano manarona ny fanambanin\u2019ny ranomasina.", "15": "Hahita loza ilay olona romotra sy tezitra, Ka manome zava-pisotro ny namany mba hahamamo azy, Satria te hijery ny fitanjahany!", "16": "Hatao afa-baraka tanteraka ianao fa tsy homem-boninahitra. Misotroa koa ianao, dia aleo ho hita hoe tsy mifora. Hatolotra anao koa ny kaopy eny an-tanan-kavanan\u2019i Jehovah, Ary ho rakotry ny fahafaham-baraka ny voninahitrao.", "17": "Fa hivaly aminao ny herisetra nataonao tamin\u2019i Lib\u00e0na, Ary hihatra aminao ny fandringanana nampatahotra be an\u2019ireo bibidia. Nandatsaka ran\u2019olona mantsy ianao, Sady nahery setra tamin\u2019ny tany Sy ny tan\u00e0na ary izay rehetra nipetraka tao.", "18": "Inona no soa entin\u2019ny sary sokitra, Nefa ilay namorona azy ihany no nanao sokitra azy? Ary inona no soa entin\u2019ny sarivongana metaly sy ny mpampianatra lainga, Na dia matoky an\u2019ilay sarivongana aza ilay namorona azy, Ary nanao andriamanitra tsy misy dikany sady moana?", "19": "Hahita loza ilay miteny amin\u2019ny hazo hoe: \u201cMifohaza!\u201d, Ary amin\u2019ny vato moana hoe: \u201cMifohaza! Ampianaro izahay!\u201d Nasiana takela-bolamena sy takela-bolafotsy ilay izy, Ary tsy misy fofonaina mihitsy ao anatiny.", "20": "Ao amin\u2019ny tempoliny masina anefa i Jehovah. Mang\u00ecna \u00e0ry eo anatrehany, ry\u00a0tany manontolo!\u2019\u201d" }, "3": { "1": "Ny vavak\u2019i Habakoka mpaminany izay nataony hira fisaonana:", "2": "Jehovah\u00a0\u00f4, efa henoko izay nolazain\u2019ny olona momba anao. Matahotra be aho noho izay nataonao, Jehovah\u00a0\u00f4! Velomy indray izany mandritra an\u2019ireo taona. Ampahafantaro izany mandritra an\u2019ireo taona. Enga anie ho tadidinao ny hamindra\u00a0fo, ao anatin\u2019ny korontana\u00a0be!", "3": "Tonga avy tany Temana Andriamanitra, Ary avy tany amin\u2019ny Tendrombohitra Parana Ilay Masina. ( Sela ) Nanarona ny lanitra ny voninahiny, Ary nidera azy ny olona eran-tany.", "4": "Hoatran\u2019ny hazavana ny famirapiratany. Tara-pahazavana roa no nanjelanjelatra avy teny an-tanany, Ary teny ny heriny no niafina.", "5": "Areti-mandringana no nandeha teo alohany, Ary fanaviana mahery no nanaraka tao aoriany.", "6": "Nijanona izy dia nohozongozoniny ny tany. Nijery izy dia nitsamboatra ireo firenena. Potipotika ireo tendrombohitra efa nisy hatrizay, Ary niondrika ireo havoana efa nisy taloha. Eo amin\u2019ny lalana efa nisy hatry ny ela\u00a0be Izy no mandeha.", "7": "Hitako fa nisy loza tao amin\u2019ny tranolay any Kosana, Ary nangovitra ny tranolay any Midianina.", "8": "Amin\u2019ny renirano ve, Jehovah\u00a0\u00f4, Amin\u2019ny renirano ve ianao no tezitra\u00a0be? Sa ianao misafoaka amin\u2019ny ranomasina? Fa nitaingina ny soavalinao ianao, Ary ny kalesinao no nandresy.", "9": "Nesorina tamin\u2019ny tranony ny tsip\u00eckanao ka efa vonona. Efa voaomana ny kibay sady natao ny fianianana. ( Sela ) Renirano no nampiasainao hampitresaka ny tany.", "10": "Nanaintaina be ny tendrombohitra rehefa nahita anao. Avy be ny orana ka nisy riaka\u00a0be. Nitabataba be ny rano lalina, Sady nanandratra ny tanany.", "11": "Tsy nihetsika teny amin\u2019ny toerany eny ambony ny masoandro sy ny volana. Nandeha haingana hoatran\u2019ny hazavana ny zana-tsip\u00eckanao, Ary namirapiratra sady nanjelanjelatra ny lefonao.", "12": "Tezitra be ianao tamin\u2019ianao nitety ny tany. Tezitra koa ianao rehefa nanitsakitsaka an\u2019ireo firenena.", "13": "Nivoaka ianao mba hamonjy ny vahoakanao, dia ny voahosotrao. Dia nataonao torotoro ilay lehiben\u2019ny tranon\u2019ny ratsy fanahy. Narodana hatrany amin\u2019ny fototra ka hatrany amin\u2019ny tafo ilay izy. ( Sela )", "14": "Ny fiadiany ihany no nanindronanao ny lohan\u2019ny miaramilany, Tamin\u2019izy ireo nanao rodobe sady tezitra mba hanaparitaka ahy. Faly be izy ireo nandrapaka olona mijaly, tany amin\u2019ny toerana miafina.", "15": "Nitaingina ny soavalinao ianao ka nandeha teny amin\u2019ny ranomasina, Teny amin\u2019ny rano manonja\u00a0be.", "16": "Nandre aho dia nangovitra, Sady nipararetra ny molotro. Nihal\u00f2 ny taolako, Ary nangozohozo ny tongotro. Tony anefa aho miandry ny andro fahoriana, Satria hamely an\u2019ilay vahoaka manafika antsika izany.", "17": "Na tsy mamony aza ny aviavy, Ary tsy mamoa ny voaloboka, Na tsy mamokatra koa aza ny oliva, Ary tsy mahavokatra sakafo ny tanimboly, Na tsy misy ondry intsony aza ao am-bala, Sady tsy misy omby ao am-pahitra,", "18": "Dia mbola ho falifaly foana aho noho ny amin\u2019i Jehovah, Sady ho ravoravo foana noho ny amin\u2019ilay Andriamanitra mpamonjy ahy.", "19": "I Jehovah Tompo Fara Tampony no heriko. Hataony hoatran\u2019ny tongotry ny serfa ny tongotro, Ary hampandehaniny eny amin\u2019ny toerana avo aho. Ho an\u2019ny mpitarika. Ampiarahina amin\u2019ny zavamaneno fitendry." }, "meta": { "name": "Habakoka", "order": 34, "chapter_number": 3 } }