UNPKG

mg-bibles

Version:

A package for accessing Bible verses in Malagasy (MG), Diem, King James (KJV), and Louis Segond (APEE) versions

172 lines (171 loc) 25.9 kB
{ "1": { "1": "Indrisy! Mipetraka irery ankehitriny ilay tan\u00e0na be\u00a0olona fahiny. Lasa toy ny vehivavy maty vady ilay tan\u00e0na be\u00a0mponina teo amin\u2019ireo firenena! Nampanaovina asa an-terivozona ilay andriambavy teo amin\u2019ireo faritany! \u05d1 [ Beta ]", "2": "Mitomany be izy mandritra ny alina, ary kotsan\u2019ny ranomasony ny takolany. Tsy misy eo ny lehilahy rehetra niarahany mba hampionona azy. Namadika azy daholo ny namany; lasa fahavalony izy ireo. \u05d2 [ Gimela ]", "3": "Natao sesitany i Joda ary mijaly sady andevozina. Voatery mipetraka any amin\u2019ireo firenena izy; tsy mahita fiadanana mihitsy izy. Tratran\u2019ireo rehetra nanenjika azy izy tamin\u2019izy tao anatin\u2019ny fahoriana. \u05d3 [ Daleta ]", "4": "Misaona ireo lalana mankany Ziona, satria tsy misy olona tonga mamonjy fety. Potika daholo ny vavahadiny, ary misento ny mpisorony. Malahelo be ireo virjiny ao aminy, ary ory dia ory izy. \u05d4 [ He ]", "5": "Ireo manohitra azy indray izao no lasa tompony; tsy manana ahiahy ny fahavalony. Fa nataon\u2019i Jehovah vonton\u2019alahelo izy satria nandika lal\u00e0na imbetsaka. Nentin\u2019ny fahavalo ho babo ny zanany. \u05d5 [ Vao ]", "6": "Niala tamin\u2019i Ziona zanakavavy ny hatsaran-tarehiny rehetra. Toy ny serfa tsy mahita kijana ireo andrianany, Ary reraka be izy ireo mandositra eo alohan\u2019ny mpanenjika azy. \u05d6 [ Zaina ]", "7": "Mandritra an\u2019ireo andro ijalian\u2019i Jerosalema sy tsy ananany fialofana, dia tsaroany Ny zava-tsarobidy rehetra nananany taloha. Rehefa resin\u2019ny fahavalo ny vahoakany ary tsy nisy nanampy izy, Dia nahita an\u2019izany ny fahavalo ka nihomehy azy noho ny fahavoazany. \u05d7 [ Heta ]", "8": "Nanao fahotana lehibe i Jerosalema, Ka lasa zava-maharikoriko. Izay rehetra zatra nanome voninahitra azy dia lasa manao tsinontsinona azy izao, satria hitan\u2019izy ireo ny fitanjahany. Na izy aza miferinaina sady mihodina tsy mahajery olona satria menatra. \u05d8 [ Teta ]", "9": "Eo amin\u2019ny akanjony ny lotony. Tsy nitsinjo ny hoaviny izy. Nanaitra ny fomba nianjerany; tsy misy na iza na iza hampionona azy. Jehovah\u00a0\u00f4, jereo ny fahoriako fa mirehareha ny fahavalo. \u05d9 [ Y\u00f4da ]", "10": "Nalain\u2019ny fahavalo ny zava-tsarobidiny rehetra. Fa hitany niditra tao amin\u2019ny toerany masina ireo firenena, Dia ireo noraranao tsy ho anisan\u2019ny fiangonanao. \u05db [ Kafa ]", "11": "Misento daholo ny vahoakan\u2019i Jerosalema. Mitady sakafo izy ireo. Atakalony zavatra hohanina ny zava-tsarobidiny mba tsy hahafaty azy. Jehovah\u00a0\u00f4, jereo sy diniho fa lasa toy ny vehivavy tsy misy ilana azy aho. \u05dc [ Lameda ]", "12": "Tsy mampaninona anareo rehetra mandalo eo amin\u2019ilay lalana ve izany? Jereo dia diniho! Mba misy fijaliana hoatran\u2019ilay nanjo ahy\u00a0ve, Dia ilay fijaliana nataon\u2019i Jehovah nihatra tamiko tamin\u2019ny andro naha tezitra\u00a0be azy? \u05de [ Mema ]", "13": "Mandatsaka afo avy any amin\u2019ny avo izy mba handoroana ny taolako rehetra. Mamelatra harato hamandrihana ny tongotro izy; tereny hihemotra aho. Ataony lasa vehivavy manirery aho. Marary foana aho tontolo andro. \u05e0 [ Nkona ]", "14": "Nafatotra toy ny zioga ny fandikan-dal\u00e0na rehetra nataoko, ka ny tanany no nampifamatotra azy ireny. Napetraka teo amin\u2019ny vozoko ireny, ka nihareraka aho. Natolotr\u2019i Jehovah teo an-tanan\u2019ireo tsy voatohitro aho. \u05e1 [ Sameka ]", "15": "Nailik\u2019i Jehovah hiala amiko ny lehilahy mahery rehetra. Namory miaramila hamely ahy izy, mba hamotipotehana ny tovolahy eo amiko. Nohitsakitsahin\u2019i Jehovah tao amin\u2019ny lavaka famiazam-boaloboka i Joda zanakavavy virjiny. \u05e2 [ Aina ]", "16": "Mitomany aho noho izany rehetra izany. Mirotsaka ny ranomasoko. Fa lavitra ahy daholo ny olona afaka mampionona na mampahery ahy. Tsy manana fanantenana intsony ny zanako lahy, fa ny fahavalo no nandresy. \u05e4 [ Pe ]", "17": "Mamelatra ny tanany i Ziona, mangataka fanampiana. Tsy misy na iza na iza hampionona azy. Nomen\u2019i Jehovah baiko ny fahavalo rehetra manodidina an\u2019i Jakoba mba hamely azy. Lasa zava-maharikoriko amin\u2019izy ireo i Jerosalema. \u05e6 [ Tsade ]", "18": "Rariny ny an\u2019i Jehovah satria tsy nety nanaraka ny didiny aho. Mihainoa, ry firenena rehetra, ary jereo ny fijaliako. Lasa babo ny virjiny sy ny tovolahy teo amiko. \u05e7 [ K\u00f4fa ]", "19": "Niantso an\u2019ireo lehilahy niaraka tamiko aho, nefa namadika ahy izy ireo. Maty tao an-tan\u00e0na ireo mpisorona sy anti-panahy teo amiko, Raha mbola nitady sakafo mba hitazonana aina. \u05e8 [ Resa ]", "20": "Jehovah\u00a0\u00f4, jereo fa mijaly\u00a0be aho. Mangotikotika ny ato anatiko. Mitebiteby ny foko ato anatiko, fa nikomy tanteraka aho. Eny ivelany, ripaky ny sabatra ny ankizy; ao an-trano, maty ny olona. \u05e9 [ Shina ]", "21": "Ren\u2019ny olona hoe misento aho. Tsy misy na iza na iza hampionona ahy. Henon\u2019ny fahavaloko rehetra ny loza manjo ahy. Faly izy ireo satria ianao no nahatonga an\u2019izany. Hataonao anefa izay hiavian\u2019ilay andro efa nambaranao, ka ho lasa hoatr\u2019ahy izy ireo amin\u2019izay. \u05ea [ Tao ]", "22": "Enga anie hibaribary eo anatrehanao ny faharatsiany rehetra! Ary enga anie hataonao mahita faisana izy ireo, Hoatran\u2019ny nataonao tamiko noho ny fandikan-dal\u00e0na rehetra nataoko. Fa misento foana aho, ary marary ny foko." }, "2": { "1": "Indrisy! Nataon\u2019i Jehovah toy ny rahona nanarona an\u2019i Ziona zanakavavy ny hatezerany. Nazerany avy any an-danitra ho amin\u2019ny tany ny hatsaran-tarehin\u2019ny Israely. Tsy tsaroany ny fitoeran-tongony, tamin\u2019ny andro naha tezitra azy. \u05d1 [ Beta ]", "2": "Natelin\u2019i Jehovah tsy nisy indrafo ny fonenan\u2019i Jakoba rehetra. Nisafoaka izy ka noravany ny toerana voaro mafy izay an\u2019i Joda zanakavavy. Nazerany tamin\u2019ny tany sy nozimbazimbainy ilay fanjakana sy ny andrianany. \u05d2 [ Gimela ]", "3": "Tezitra be izy, ka nataony tsy\u00a0manan-kery intsony i\u00a0Israely. Nesoriny ny tanany havanana rehefa nanatona ny fahavalo. Nirehitra toy ny afo miredareda teo amin\u2019i Jakoba izy, ka nandevona an\u2019izay rehetra nanodidina azy. \u05d3 [ Daleta ]", "4": "Nataony vonona hitifirana ny tsip\u00eckany, toy ny ataon\u2019ny fahavalo; ny tanany havanana dia vonona hanafika hoatran\u2019ny mpanohitra; Novonoiny izay rehetra nahafinaritra ny maso. Ary nararany toy ny afo tao amin\u2019ny tranolain\u2019i Ziona zanakavavy ny hatezerany. \u05d4 [ He ]", "5": "Lasa toy ny fahavalo i Jehovah; Nateliny ny Israely. Nateliny ny tilikambony rehetra, Noravany daholo ireo toerany voaro\u00a0mafy. Ampitomboiny ny fisaonana sy ny fitomaniana ao amin\u2019i Joda zanakavavy. \u05d5 [ Vao ]", "6": "Potehiny toy ny trano bozaka eny an-jaridaina ny trano rantsankazony. Nataony tsy misy intsony ny fetiny. Nataon\u2019i Jehovah hadino tao Ziona ny fety sy ny sabata, Ary tezitra be mihitsy izy, ka tsy raharahiany ny mpanjaka sy ny mpisorona. \u05d6 [ Zaina ]", "7": "Tsy neken\u2019i Jehovah intsony ny alitarany; Nataony tsinontsinona ny toerany masina. Navelany horavan\u2019ny fahavalo ny mandan\u2019ireo tilikambony voaro\u00a0mafy. Nihorakoraka tao an-tranon\u2019i Jehovah izy ireo, hoatran\u2019ny amin\u2019ny andro fety. \u05d7 [ Heta ]", "8": "Nanapa-kevitra i Jehovah hoe horavany ny mandan\u2019i Ziona zanakavavy. Nohenjaniny ny tady fandrefesana. Tsy nisakana ny tanany tsy handripaka izy. Ataony misaona ny dongon-tany sy ny manda. Samy nataony tsy nanan-kery izy ireny. \u05d8 [ Teta ]", "9": "Nilentika any anaty tany ny vavahadiny. Nosimbany sy nopotehiny ireo bara hidiny. Natao sesitany any amin\u2019ireo firenena ny mpanjakany sy ny andrianany. Tsy misy intsony ny lal\u00e0na; ary na ireo mpaminaniny aza tsy mahazo fahitana avy amin\u2019i Jehovah. \u05d9 [ Y\u00f4da ]", "10": "Mipetraka amin\u2019ny tany sady mangina ny anti-panahin\u2019i Ziona zanakavavy. Manipy vovoka eo amin\u2019ny lohany izy ireo, ary mitafy lamba gony. Manondrika ny lohany amin\u2019ny tany ireo virjiny ao Jerosalema. \u05db [ Kafa ]", "11": "Reraka ny masoko satria mitomany foana aho. Mangotikotika ny ato anatiko. Mipotsaka amin\u2019ny tany ny atiko, satria nianjera ny zanakavavin\u2019ny fireneko Ary safotra eny amin\u2019ny tany malalaky ny tan\u00e0na ny ankizy sy ny zazakely. \u05dc [ Lameda ]", "12": "Tsy mitsahatra mangataka sakafo sy divay amin-dreniny izy ireo, Ary safotra hoatran\u2019ny olona maratra eny amin\u2019ny tany malalaky ny tan\u00e0na, Sady miala aina raha iny izy mbola trotroan-dreniny iny. \u05de [ Mema ]", "13": "Inona re no ohatra azoko omena anao\u00a0e? Hampitoviko amin\u2019inona ianao, ry\u00a0Jerosalema zanakavavy\u00a0\u00f4? Hampitahaiko amin\u2019inona ianao mba hampiononako anao, ry\u00a0Ziona zanakavavy virjiny\u00a0\u00f4? Fa midadasika hoatran\u2019ny ranomasina ny fahavoazanao. Iza no afaka manasitrana anao? \u05e0 [ Nona ]", "14": "Diso sy tsy misy ilana azy ny fahitana hitan\u2019ny mpaminaninao, Ary tsy nahariharin\u2019izy ireo ny fahadisoanao, nefa raha nanao an\u2019izany izy ireo dia tsy ho lasa babo ianao. Fa mbola diso sy mamitaka ihany ny fahitana nambarany taminao. \u05e1 [ Sameka ]", "15": "Mitehaka maneso anao daholo izay mandalo eo amin\u2019ilay lalana. Gaga izy ireo dia misioka sy mihivingivin-doha mahita an\u2019i Jerosalema zanakavavy, ka milaza hoe: \u201cIo ve ilay tan\u00e0na nolazaina hoe \u2018faran\u2019izay tsara tarehy sy mahafaly ny olona rehetra eran-tany\u2019?\u201d \u05e4 [ Pe ]", "16": "Manoka-bava hamelezana anao ny fahavalonao rehetra. Misioka izy ireo ary mihidy vazana, dia miteny hoe: \u201cNatelintsika izy. Ity mihitsy ilay andro efa nandrasantsika! Tonga ihany izy ity, sady hitantsika!\u201d \u05e2 [ Aina ]", "17": "Nataon\u2019i Jehovah izay efa nokasainy. Notanterahiny ny teniny, Dia ny didy efa nomeny hatramin\u2019ny ela\u00a0be. Nandravarava tsy nisy indrafo izy. Navelany hifaly amin\u2019izay manjo anao ny fahavalo. Nampitomboiny ny herin\u2019ireo manohitra anao. \u05e6 [ Tsade ]", "18": "Mitaraina mafy amin\u2019i Jehovah ny fon\u2019ny vahoaka, ry\u00a0mandan\u2019i Ziona zanakavavy\u00a0\u00f4! Aoka hikoriana andro aman\u2019alina toy ny riaka ny ranomasonao. Aza mijanona mihitsy na vetivety aza, aza avela haka aina ny masonao. \u05e7 [ K\u00f4fa ]", "19": "Mitsang\u00e0na! Aoka ianao hiantsoantso mandritra ny alina, rehefa manomboka ny fiambenana. Aborahy eo anatrehan\u2019i Jehovah toy ny rano atosaka ny ao am-ponao. Asandrato any aminy ny tananao mba tsy ho faty ny zanakao, Izay safotra eny an-joron-dalana rehetra\u00a0eny, noho ny mosary. \u05e8 [ Resa ]", "20": "Jehovah\u00a0\u00f4, jereo ka diniho ilay nataonao nitondra faisana. Ny vehivavy ve dia mbola hihinana ny zanany ihany, dia ireo zaza salama\u00a0tsara naterany? Ary hovonoina ao amin\u2019ny toerana masin\u2019i Jehovah ve ny mpisorona sy ny mpaminany? \u05e9 [ Shina ]", "21": "Miampatrampatra eny an-dalana ny fatin\u2019ireo ankizilahy sy ny lehilahy zokiolona. Matin\u2019ny sabatra ny virjiny sy ny tovolahy eo amiko. Namono ianao tamin\u2019ny andro naha tezitra anao; nandripaka tsy nisy indrafo ianao. \u05ea [ Tao ]", "22": "Antsoinao avy any amin\u2019ny vazan-tany efatra ny horohoro, toy ny hoe hamonjy fety. Tsy nisy afa-nandositra na tafavoaka velona, tamin\u2019ny andro fahatezeran\u2019i Jehovah. Naripaky ny fahavaloko ireo zaza naterako sy notezaiko." }, "3": { "1": "Izaho ilay lehilahy nahita ny fahorian\u2019ny olona noho ny tsorakazon\u2019ny fahatezerany.", "2": "Noroahiny aho ary asainy mandeha ao anaty haizina, fa tsy ao amin\u2019ny mazava.", "3": "Tena asian\u2019ny tanany foana aho tontolo andro. \u05d1 [ Beta ]", "4": "Nataony mihalany ny nofoko sy ny hoditro. Notapatapahiny ny taolako.", "5": "Nataony fahirano aho; poizina mangidy sy fahoriana no nataony manodidina ahy.", "6": "Notereny hipetraka tao amin\u2019ny toerana maizina aho, toy ny olona maty efa\u00a0ela. \u05d2 [ Gimela ]", "7": "Nofefeny ny manodidina ahy mba tsy ho afaka hitsoaka aho. Nofatorany tamin\u2019ny gadra\u00a0varahina mavesatra aho.", "8": "Ary tsy mety mihaino ny vavaka ataoko izy rehefa mitalaho miantso vonjy aho.", "9": "Nosakanany tamin\u2019ny vato voapaika ny lalako, Sady nataony niolakolaka. \u05d3 [ Daleta ]", "10": "Toy ny orsa miafina mba hanafika ahy izy, ary toy ny liona mamitsaka mba hamely.", "11": "Notereny hivily lalana aho, ary norotidrotehiny. Nataony lasa singan\u2019olona aho sisa.", "12": "Nataony vonona hitifirana ny tsip\u00eckany, ary atsangany aho mba hokendreny amin\u2019ny zana-tsip\u00ecka. \u05d4 [ He ]", "13": "Notsatohany tamin\u2019ny zana-tsip\u00ecka avy tao amin\u2019ny tranon-jana-tsip\u00eckany ny voako.", "14": "Lasa nataon\u2019ny olona rehetra fihomehezana aho, sady nataony hirahira tontolo andro.", "15": "Novokisany zavatra mangidy aho, ary nosesefany zavamaniry mangidy be. \u05d5 [ Vao ]", "16": "Ataony mikarepoka vatokely ny nifiko ka tapaka. Ataony mitampify ao anaty lavenona aho.", "17": "Ataonao tsy mahita fiadanana aho; tsy tsaroako intsony izay tsara,", "18": "Ka hoy aho: \u201cNanjavona ny voninahitro sy izay nantenaiko tamin\u2019i Jehovah.\u201d \u05d6 [ Zaina ]", "19": "Tsarovy fa mijaly sy tsy manan-kialofana aho, ary mihinana zavamaniry mangidy\u00a0be sy poizina mangidy.", "20": "Hahatsiaro izany tokoa ianao ka hiondrika hanampy ahy.", "21": "Tsaroako ato am-poko izany, ka vonona hiandry aho. \u05d7 [ Heta ]", "22": "Noho i Jehovah tia antsika sy tsy mivadika amintsika no tsy maharipaka antsika, Satria tsy mety lany mihitsy ny famindram-pony.", "23": "Vaovao isa-maraina izany. Mendri-pitokisana foana ianao.", "24": "Hoy aho: \u201cI Jehovah no anjarako, ka vonona hiandry azy aho.\u201d \u05d8 [ Teta ]", "25": "Tsara i Jehovah amin\u2019izay manantena azy, dia amin\u2019izay olona mitady azy foana.", "26": "Tsara ny miandry amim-panginana ny famonjen\u2019i Jehovah.", "27": "Tsara ho an\u2019ny olona ny mizaka ny mafy mandritra ny fahatanorany. \u05d9 [ Y\u00f4da ]", "28": "Aoka izy hipetraka irery sy hangina, rehefa vesaran\u2019Andriamanitra an\u2019izany.", "29": "Aoka izy hanohoka ny vavany amin\u2019ny vovoka; angamba mba hisy fanantenana ihany.", "30": "Aoka izy hanolotra ny takolany amin\u2019izay mamely azy; aoka izy hambanina tanteraka. \u05db [ Kafa ]", "31": "Fa tsy hanary antsika mandrakizay i Jehovah.", "32": "Na dia nahatonga fahoriana aza izy, dia hamindra fo koa satria be\u00a0fitiavana sy tsy mivadika.", "33": "Fa tsy sitraky ny fony ny mampahory na manao izay hampalahelo ny zanak\u2019olombelona. \u05dc [ Lameda ]", "34": "Ny manosihosy ny voafonja rehetra eto an-tany,", "35": "Sy ny tsy manome rariny ny olona eo anatrehan\u2019ny Avo Indrindra,", "36": "Ary ny mamadika ny rariny eny amin\u2019ny fitsarana, Dia samy tsy andeferan\u2019i Jehovah. \u05de [ Mema ]", "37": "Iza \u00e0ry no afaka milaza sy manatanteraka zavatra, raha tsy i Jehovah no manome didy hanatanterahana an\u2019izany?", "38": "Tsy miara-mivoaka amin\u2019ny vavan\u2019ny Avo Indrindra Ny ratsy sy ny tsara.", "39": "Nahoana moa ny olombelona no tokony hitaraina noho ny vokatry ny fahotany? \u05e0 [ Nona ]", "40": "Aoka isika handinika sy hamakafaka an\u2019izay ataontsika, ka hiverina amin\u2019i Jehovah.", "41": "Andao hasandratsika amin\u2019Andriamanitra any an-danitra ny fontsika sy ny tanantsika, ka hiteny isika hoe:", "42": "\u201cEfa nandika lal\u00e0na sy nikomy izahay, ary ianao tsy namela ny helokay. \u05e1 [ Sameka ]", "43": "Tezitra ianao dia nosakananao tsy hanatona anao izahay. Nanenjika anay sy namono anay tsy nisy indrafo ianao.", "44": "Nataonao sakana tsy ahafahana manatona anao ny rahona, mba tsy ho tonga any aminao ny vavaka ataonay.", "45": "Ataonao zavatra fanary sy fako eo amin\u2019ireo firenena izahay.\u201d \u05e4 [ Pe ]", "46": "Manoka-bava maneso anay ny fahavalonay rehetra.", "47": "Horohoro sy fandrika no anjaranay, ary potika sy rava izahay.", "48": "Misy rano mikoriana avy amin\u2019ny masoko, satria voa\u00a0mafy ny zanakavavin\u2019ny fireneko. \u05e2 [ Aina ]", "49": "Mirotsaka tsy an-kijanona ny ranomasoko, ary tsy miato mihitsy,", "50": "Mandra-piondrik\u2019i Jehovah hijery avy any an-danitra.", "51": "Nalahelo aho nahita an\u2019izay nanjo an\u2019ireo ankizivavy rehetra ao an-tan\u00e0nako. \u05e6 [ Tsade ]", "52": "Nihaza ahy tsy amin\u2019antony, toy ny mihaza vorona, ny fahavaloko.", "53": "Nanapitra ny aiko tao anaty lavaka izy ireo; nitora-bato ahy foana izy ireo.", "54": "Nandifotra ny lohako ny rano, ka hoy aho: \u201cVita ny amiko!\u201d \u05e7 [ K\u00f4fa ]", "55": "Jehovah\u00a0\u00f4, niantso ny anaranao avy tao anaty lavaka lalina aho.", "56": "Henoy ny feoko. Aza manampin-tsofina rehefa miantso vonjy aho sy rehefa mangataka anao hanamaivana ahy.", "57": "Nanatona ianao tamin\u2019ilay andro niantsoako anao, ka niteny hoe: \u201cAza matahotra.\u201d \u05e8 [ Resa ]", "58": "Niaro ahy teo amin\u2019ny fitsarana ianao, Jehovah\u00a0\u00f4! Navotanao ny aiko.", "59": "Hitanao ny ratsy natao tamiko, Jehovah\u00a0\u00f4! Mba omeo rariny aho.", "60": "Hitanao daholo ny valifatiny, dia ny teti-dratsy rehetra namelezany ahy. \u05e9 [ Sina ] na [ Shina ]", "61": "Jehovah\u00a0\u00f4, efa renao ny esoeson\u2019izy ireo sy ny teti-dratsy rehetra namelezany ahy,", "62": "Ary ny tenin\u2019ireo mpanohitra ahy, sy ny bitsibitsika ataony tontolo andro mba hamelezana ahy.", "63": "Jereo ry zareo! Manao hira manesoeso ahy izy ireo, na mipetraka na mitsangana. \u05ea [ Tao ]", "64": "Hamaly azy araka izay nataony ianao, Jehovah\u00a0\u00f4!", "65": "Hataonao lasa mafy fo izy ireo, ary izany no ozona ataonao amin\u2019izy ireo.", "66": "Henjehinao amin-katezerana izy ireo, Jehovah\u00a0\u00f4, ka haripakao tsy ho et\u1ef3 ambanin\u2019ny lanitrao." }, "4": { "1": "Indrisy! Lasa vasoka ilay volamena namirapiratra, dia ilay volamena tena tsara. Miparitadritaka eny an-joron-dalana rehetra eny ny vato masina. \u05d1 [ Beta ]", "2": "Sarobidy toy ny volamena voadio ny zanakalahin\u2019i Ziona izay tena tiana taloha, Nefa indrisy fa heverina ho toy ny siny\u00a0tany, Asa tanan\u2019ny mpanefy tanimanga! \u05d2 [ Gimela ]", "3": "Na ny alikadia aza manome nono hampinonoana ny zanany, Fa ny zanakavavin\u2019ny fireneko kosa lasa masiaka be, hoatran\u2019ny aotirisy any an-tany efitra. \u05d3 [ Daleta ]", "4": "Main\u2019ny hetaheta ny zaza minono ka miraikitra amin\u2019ny lanilaniny ny lelany. Mangataka sakafo ny ankizy, nefa tsy misy manome. \u05d4 [ He ]", "5": "Mitsirara eny an-dalana ireo zatra nihinana sakafo matsiro satria maty\u00a0noana. Nihosina teny amin\u2019ny lavenona misavovona ireo nanao akanjo mena midorehitra hatramin\u2019ny mbola kely. \u05d5 [ Vao ]", "6": "Ny sazin\u2019ny zanakavavin\u2019ny fireneko dia lehibe noho ny sazin\u2019i Sodoma vokatry ny fahotany, Dia i Sodoma izay noravana tao anatin\u2019ny indray mipy maso, ary tsy mba nisy tanana namonjy. \u05d6 [ Zaina ]", "7": "Nadio noho ny lanezy ny Naziritan\u2019i Ziona, sady fotsy noho ny ronono. Mena noho ny haran-dranomasina izy ireo, ary toy ny safira nokosehina hangirana. \u05d7 [ Heta ]", "8": "Lasa mainty noho ny molaly anefa izy ireo, Ka tsy fantatra intsony eny an-dalana. Nikainkona sy niraikitra tamin\u2019ny taolany ny hodiny, ary lasa maina toy ny kitay. \u05d8 [ Teta ]", "9": "Tsara kokoa ny nanjo an\u2019ireo matin\u2019ny sabatra noho ny nanjo an\u2019ireo matin\u2019ny mosary, Izay nihareraka, ka toy ny hoe voatrobaka satria tsy ampy ny sakafo teny an-tsaha. \u05d9 [ Y\u00f4da ]", "10": "Ny tanan\u2019ny vehivavy be\u00a0fangoraham-po no nahandro ny zanany naterany. Lasa nataony sakafo izy ireny nandritra ny fotoana naha voa mafy ny zanakavavin\u2019ny fireneko. \u05db [ Kafa ]", "11": "Namoaka ny hatezerany i Jehovah. Nanampatra ny fahavinirany izy. Ary mandrehitra afo ao Ziona izy handevonana ny fototra iorenany. \u05dc [ Lameda ]", "12": "Tsy nino ny mpanjakan\u2019ny tany sy ny mponina rehetra amin\u2019ny tany Hoe hiditra eo amin\u2019ireo vavahadin\u2019i Jerosalema ny mpanohitra sy ny fahavalo. \u05de [ Mema ]", "13": "Nitranga izany noho ny fahotan\u2019ny mpaminaniny sy ny fahadisoan\u2019ny mpisorony, Izay nandatsaka ny ran\u2019ireo olo-marina teo anivony. \u05e0 [ Nona ]", "14": "Niraparapa toy ny jamba teny an-dalana izy ireo. Mihosin-dra izy ireo, Ka tsy misy afaka mikasika ny akanjony. \u05e1 [ Sameka ]", "15": "Misy miantsoantso azy ireo hoe: \u201c\u2019Ndeha mandeha any! Maloto! \u2019Ndeha mandeha any! \u2019Ndeha mandeha any! Aza mikasika anay!\u201d Fa lasa tsy nanan-kialofana izy ireo ka nirenireny. Hoy ny olona tany amin\u2019ireo firenena: \u201cTsy afaka miara-mipetraka amintsika eto ireny. \u05e4 [ Pe ]", "16": "I Jehovah mihitsy no nanaparitaka azy ireny. Tsy hankasitraka azy ireny intsony izy. Tsy hanaja an\u2019ireo mpisorona ny olona, sady tsy hiraharaha an\u2019ireo anti-panahy.\u201d \u05e2 [ Aina ]", "17": "Na ankehitriny aza, dia mbola reraka ny masonay mitazana olona hanampy, saingy tsy misy. Nitady izahay ka nitady fanampiana avy\u00a0any amin\u2019ny firenena, izay tsy ho nahavonjy anay akory. \u05e6 [ Tsade ]", "18": "Nataon\u2019izy ireo haza lambo izahay isaky ny nandeha, ka tsy afaka nankeny amin\u2019ny tany malalaka intsony. Kely sisa dia ho vita ny aminay; tapitra ny andronay, fa tonga ny faran\u2019ny fiainanay. \u05e7 [ K\u00f4fa ]", "19": "Haingam-pandeha noho ny voromahery eny amin\u2019ny lanitra ny mpanenjika anay. Nanenjika anay teny an-tendrombohitra izy ireo, ary niafina tany an-tany efitra mba hanafika anay. \u05e8 [ Resa ]", "20": "Voasambotra tao amin\u2019ny lavaka\u00a0be nataon\u2019izy ireo ilay voahosotr\u2019i Jehovah, dia ilay fofonain\u2019ny vavoronay, Izy ilay nolazainay hoe: \u201cHipetraka eo ambany alokalony izahay any amin\u2019ireo firenena.\u201d \u05e9 [ Sina ]", "21": "Mifalia sy miravoravoa, ry\u00a0zanakavavin\u2019i Edoma mipetraka any Oza. Homena anao koa anefa ilay kaopy, ka ho mamo ianao ary hiboridana. \u05ea [ Tao ]", "22": "Tapitra ny sazy vokatry ny fahadisoanao, ry\u00a0Ziona zanakavavy\u00a0\u00f4! Tsy halefany any an-tsesitany intsony ianao. Handinika ny fahadisoanao kosa izy, ry\u00a0zanakavavin\u2019i Edoma\u00a0\u00f4! Haharihariny ny fahotanao." }, "5": { "1": "Jehovah\u00a0\u00f4, tsarovy izay nanjo anay. Jereo dia diniho ny fahafaham-baraka mahazo anay.", "2": "Nomena ho an\u2019ny vahiny ny lovanay, ary ho an\u2019ny olona avy amin\u2019ny firenen-kafa ny tranonay.", "3": "Lasa kamboty ray izahay, ary toy ny mpitondratena ny reninay.", "4": "Anay ny rano nefa tsy maintsy mandoa vola izahay vao afaka misotro, ary anay ny kitay nefa mividy izahay vao mahazo.", "5": "Manaraka akaiky anay ny mpanenjika. Reraka be izahay, nefa tsy avela haka\u00a0aina mihitsy.", "6": "Manolotra ny tananay amin\u2019i Ejipta sy Asyria izahay mba hahazoana sakafo ampy ho anay.", "7": "Efa tsy eo intsony ny razambenay izay nanota, nefa izahay no tsy maintsy mizaka ny fahadisoany.", "8": "Mpanompo izao no mifehy anay, ary tsy mba misy misintona anay eny an-tanan\u2019izy ireo.", "9": "Manao vivery ny ainay izahay vao mahazo sakafo, noho ny olona mitana sabatra any an-tany efitra.", "10": "Lasa mahamay be toy ny lafaoro ny hoditray, satria mijaly izahay noho ny hanoanana.", "11": "Natao afa-baraka ny vehivavy manambady tao Ziona, sy ny virjiny tany amin\u2019ireo tan\u00e0nan\u2019i Joda.", "12": "Nahantona tamin\u2019ny tanany ilany ny andriana, ary tsy nohajaina ny anti-panahy.", "13": "Mibata vato fikosoham-bary ny tovolahy, ary tafintohina ireo ankizilahy milanja kitay mavesatra\u00a0be.", "14": "Tsy eo am-bavahadin\u2019ny tan\u00e0na intsony ny anti-panahy, ary tsy mitendry zavamaneno intsony ny tovolahy.", "15": "Tsy falifaly intsony ny fonay, ary tsy mandihy intsony izahay fa misaona.", "16": "Nianjera ny satroboninahitra teny an-dohanay. Idiran-doza izahay satria nanota!", "17": "Marary ny fonay noho izany, Ary mihamanjavozavo ny masonay noho izany zavatra izany,", "18": "Satria lasa aolo ny Tendrombohitr\u2019i Ziona, ka ny amboadia izao no mirenireny eny.", "19": "Ianao kosa Jehovah\u00a0\u00f4, mipetraka mandrakizay eo amin\u2019ny seza fiandriananao, Izay haharitra hatramin\u2019ny taranaka fara aman-dimby.", "20": "Nahoana ianao no manadino anay mandrakizay, ka mahafoy anay ela\u00a0be?", "21": "Ampodio ho aminao izahay, Jehovah\u00a0\u00f4, dia hiverina aminao avy hatrany. Ataovy hoatran\u2019ny taloha indray ny andronay.", "22": "Nolavinao tanteraka anefa izahay. Mbola tezitra be aminay foana ianao." }, "meta": { "name": "Fitomaniana", "order": 24, "chapter_number": 5 } }