UNPKG

mg-bibles

Version:

A package for accessing Bible verses in Malagasy (MG), Diem, King James (KJV), and Louis Segond (APEE) versions

120 lines (119 loc) 18 kB
{ "1": { "1": "Avy amin\u2019i Paoly sy Timoty, mpanompon\u2019i Kristy Jesosy. Ho an\u2019ny olona masina rehetra tafaray amin\u2019i Kristy Jesosy\u00a0any Filipy, anisan\u2019izany ny mpiandraikitra sy ny mpikarakara fiangonana,", "2": "Enga anie ilay Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo mba haneho hatsaram-panahy miavaka aminareo sady hanome fiadanana anareo!", "3": "Misaotra an\u2019Andriamanitro foana aho isaky ny mahatsiaro anareo", "4": "ka mitalaho ho anareo rehetra. Falifaly foana aho isaky ny mitalaho ho anareo,", "5": "satria nandray anjara tamin\u2019ny fitoriana ny vaovao tsara ianareo, hatramin\u2019ny andro voalohany ka hatramin\u2019izao.", "6": "Azoko antoka mantsy fa hamita an\u2019ilay asa tsara natombony teo aminareo Andriamanitra, mandra-pahatongan\u2019ny andron\u2019i Kristy Jesosy.", "7": "Ary rariny raha izany no eritreretiko momba anareo rehetra, satria ato am-poko ianareo. Nanehoana hatsaram-panahy miavaka hoatr\u2019ahy mantsy ianareo ka nanampy ahy, na amin\u2019izao izaho voafatotra rojo\u00a0vy izao, na tamin\u2019izaho niaro ny vaovao tsara sy niezaka hahazo zo ara-dal\u00e0na hitory an\u2019izany.", "8": "Andriamanitra no vavolombelona fa tena malahelo anareo rehetra aho, sady tena tia anareo hoatran\u2019ny itiavan\u2019i Kristy Jesosy anareo.", "9": "Ary izao foana no angatahiko amin\u2019ny vavaka: Mba hitombo foana ny fitiavanareo, sady hahafantatra tsara sy tena hahatakatra ny sitrapon\u2019Andriamanitra ianareo.", "10": "Mivavaka foana koa aho mba ho hainareo ny hamantatra an\u2019izay zava-dehibe kokoa. Dia amin\u2019izay ianareo tsy hisy tsiny sady tsy hampihemotra ny sasany mandra-pahatongan\u2019ny andron\u2019i Kristy.", "11": "Dia amin\u2019izay koa ianareo ho feno ny vokatry ny fahamarinana, izay azo amin\u2019ny alalan\u2019i Jesosy Kristy, ho voninahitra sy fiderana an\u2019Andriamanitra.", "12": "Ary tiako ho fantatrareo, ry\u00a0rahalahy, fa vao mainka aza nampandroso ny vaovao tsara ny zavatra manjo ahy.", "13": "Dia lasa fantatry ny olona eo amin\u2019ireo Mpiambina An\u2019i Kaisara sy ny olona hafa rehetra fa noho i Kristy no nahatonga ahy ho voafatotra rojo vy.", "14": "Lasa feno toky \u00e0ry ny ankamaroan\u2019ireo rahalahy ao amin\u2019ny Tompo noho izaho voafatotra rojo vy. Vao mainka sahy mitory ny tenin\u2019Andriamanitra koa izy ireo sady tsy matahotahotra mihitsy.", "15": "Marina fa mitory an\u2019i Kristy ny olona sasany satria mialona sy tia mifamaly. Ny hafa kosa mitory satria tso-po,", "16": "ka noho ny fitiavana no itoriany an\u2019i Kristy, satria fantany fa voatendry hiaro ny vaovao tsara aho.", "17": "Te hiady fotsiny anefa ireny olona mialona ireny matoa mitory, fa tsy hoe te hanao ny tsara. Mbola te hanahirana ahy mantsy izy ireny nefa izaho amin\u2019izao efa mifatotra rojo\u00a0vy.", "18": "Dia inona no vokany? Izao ihany: Na amin\u2019ny fomba ahoana na amin\u2019ny fomba ahoana, na amim-pihatsarambelatsihy na amim-pahatsorana, dia torina foana i Kristy, ka izany no mahafaly ahy. Ary ho faly foana koa aza aho,", "19": "satria fantatro fa hovonjena aho noho ny fitalahoanareo sy noho ny fanampian\u2019ny fanahin\u2019i Jesosy Kristy.", "20": "Tena matoky sy manantena mantsy aho fa tsy ho menatra mihitsy ka ho sahy hiteny. Matoky koa aho fa homena voninahitra amin\u2019ny alalako i Kristy amin\u2019izao, hoatran\u2019ny hatramin\u2019izay, na velona aho na maty.", "21": "Izaho kosa raha velona, dia velona ho an\u2019i Kristy, ary raha maty, dia mahazo tombony.", "22": "Koa raha mbola nofo aman-dra aho, dia hisy vokany kokoa ny asako. Tsy ampahafantariko anefa izay hofidiko.", "23": "Sahiran-tsaina aho amin\u2019ireo safidy roa ireo. Fa tena te ho afaka aho dia hiaraka amin\u2019i Kristy, satria izany no mbola tsara lavitra.", "24": "Mahasoa anareo kokoa anefa raha mbola nofo aman-dra aho.", "25": "Azoko antoka izany, ka fantatro fa mbola ho velona aho sady mbola hiaraka aminareo rehetra foana, amin\u2019izay ianareo handroso sy ho falifaly satria mino.", "26": "Dia amin\u2019izay vao mainka ho faly be noho ny amiko ianareo mpianatr\u2019i Kristy Jesosy, rehefa eo aminareo indray aho.", "27": "Tiako fotsiny raha mitondra tena mendrika ny vaovao tsara momba an\u2019i Kristy ianareo. Amin\u2019izay, na rehefa tonga aho ka hahita anareo na rehefa tsy eo, dia ho henoko hoe mafy orina sady miray saina ianareo, ary miara-miezaka toy ny olona iray mba hino ny vaovao tsara foana,", "28": "sady tsy manaiky hampitahorin\u2019ireo mpanohitra anareo mihitsy. Izany mantsy no porofo hoe haringana izy ireny, fa ianareo kosa hovonjena. Ary avy amin\u2019Andriamanitra izany.", "29": "Nomena voninahitra mantsy ianareo, tsy hoe hino an\u2019i Kristy fotsiny, fa hijaly noho ny aminy koa.", "30": "Fa miady mafy hoatran\u2019ny efa nataoko koa ianareo izao, ary henonareo hoe mbola miady mafy aho hatramin\u2019izao." }, "2": { "1": "Raha afaka mampahery \u00e0ry ianareo izay tafaray amin\u2019i Kristy, raha afaka mampionona noho ny fitiavana, ary raha afaka mifampiahy sy maneho fitiavana ary mangoraka,", "2": "dia ataovy izay hahafaly be ahy, ka miezaha hiray saina, hifankatia, hiray hina tanteraka, ary hitovy hevitra.", "3": "Aza tia ady na mirehareha, fa manetre tena ka hevero hoe ambony noho ianareo ny hafa.", "4": "Ary aza mitady izay hahasoa ny tenanareo fotsiny, fa izay hahasoa ny hafa koa.", "5": "Miezaha foana hanana an\u2019izao toe-tsaina nananan\u2019i Kristy Jesosy izao:", "6": "Na dia fanahy hoatran\u2019Andriamanitra aza izy, dia tsy nieritreritra mihitsy ny handrombaka fahefana, izany hoe ny hitovy amin\u2019Andriamanitra.", "7": "Nafoiny kosa ny zava-drehetra, dia lasa hoatran\u2019ny mpanompo izy ary lasa olombelona.", "8": "Ary tsy izay ihany, fa rehefa lasa olombelona izy, dia nanetry tena ary nankat\u00f2 ka nanaiky ho faty mihitsy aza, izany hoe ho faty teo amin\u2019ny hazo fijaliana.", "9": "Izany mihitsy no nahatonga an\u2019Andriamanitra hanandratra azy ho amin\u2019ny toerana ambony kokoa, sady hanome azy amin-katsaram-panahy anarana ambony kokoa noho ny anarana hafa rehetra.", "10": "Amin\u2019izay dia handohalika amin\u2019ny anaran\u2019i Jesosy ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra na ny eto an-tany na ny any ambanin\u2019ny tany,", "11": "ary hanaiky daholo ny lela rehetra fa i Jesosy Kristy no Tompo, ho voninahitr\u2019Andriamanitra Ray.", "12": "Efa nankat\u00f2 foana ianareo, ry\u00a0malala, tsy tamin\u2019izaho teo aminareo ihany, fa vao mainka aza amin\u2019izao izaho tsy eo aminareo izao. Noho izany, dia miezaha foana mba ho voavonjy, sady matahotra sy mangovitra ihany.", "13": "Andriamanitra mantsy no manatanjaka anareo, araka izay mahafinaritra azy, ka mahatonga anareo hanana faniriana sy hery hanaovana zavatra.", "14": "Na inona na inona ataonareo, dia aza mba mimenomenona na miady hevitra.", "15": "Amin\u2019izay ianareo dia tsy hisy hokianina sady tsy hanan-tsiny, ary ho zanak\u2019Andriamanitra tsy misy tsiny eo anivon\u2019ny taranaka maditra sy ratsy fanahy. Mamirapiratra eo anivon\u2019izany taranaka izany ianareo, hoatran\u2019ny hazavana eo amin\u2019izao tontolo izao,", "16": "sady mifikitra mafy amin\u2019ny tenin\u2019ny fiainana. Manana antony hifaliana \u00e0ry aho amin\u2019ny andron\u2019i Kristy, satria fantatro fa tsy very maina fotsiny ny hazakazaka na ny asa mafy nataoko.", "17": "Faly anefa aho ary miara-mifaly aminareo rehetra, na dia atao hoatran\u2019ny fanatitra zava-pisotro aza, ka araraka eo amin\u2019ny sorona sy ny fanompoana masina ataonareo noho ny finoanareo.", "18": "Mifalia koa ianareo, ary miaraha mifaly amiko.", "19": "Manantena aho izao, raha sitrapon\u2019i Jesosy Tompo, hoe haniraka an\u2019i Timoty ho any aminareo tsy ho ela. Amin\u2019izay dia hahazo fampaherezana aho rehefa maheno vaovao momba anareo.", "20": "Fa izaho tsy mahita olon-kafa mitovy toetra aminy, izay tena hikarakara anareo.", "21": "Ny hafa rehetra mantsy samy mitady izay hahasoa ny tenany fotsiny, fa tsy izay tian\u2019i Jesosy Kristy.", "22": "Fantatrareo tsara anefa ny lazan\u2019i Timoty. Fa hoatran\u2019ny zanaka miara-manompo amin\u2019ny rainy izy, rehefa niara-nanompo tamiko mba hampandroso ny vaovao tsara.", "23": "Izy \u00e0ry ilay antenaiko hirahina, raha vao hitako hoe inona no hitranga amiko.", "24": "Ary tena matoky aho fa ho avy any tsy ho ela koa, raha sitrapon\u2019ny Tompo.", "25": "Hitako hoe ilaina anefa izao ny maniraka an\u2019i Epafrodito ho any aminareo. Rahalahiko sy mpiara-miasa amiko ary miaramila tahaka ahy izy, ary nirahinareo hanompo ahy sy hikarakara an\u2019izay ilaiko.", "26": "Tena te hahita anareo rehetra mantsy izy, ary kivy be satria efa henonareo hoe narary izy.", "27": "Narary saika maty tokoa izy, nefa namindra\u00a0fo taminy Andriamanitra, ary tsy taminy ihany fa tamiko koa, mba tsy hisesisesy ny alaheloko.", "28": "Halefako any faran\u2019izay haingana \u00e0ry izy izao. Amin\u2019izay dia ho faly indray ianareo rehefa mahita azy, ary izaho koa tsy dia hanahy be loatra.", "29": "Koa raiso tsara izy, hoatran\u2019ny fanaonareo rehefa mandray ny mpanara-dia ny Tompo, sady raiso amim-pifaliana be, ary tiavo sy hajao foana ny olona hoatr\u2019azy.", "30": "Efa saika maty mantsy izy noho izy nanao ny asan\u2019i Kristy, ka nanao vivery ny ainy mba hanampiana ahy, satria ianareo tsy eto dia tsy afaka manampy ahy." }, "3": { "1": "Farany, ry rahalahy, mifalia foana noho ny amin\u2019ny Tompo. Tsy mampaninona ahy ny mamerina manoratra aminareo zavatra mitovy, ary mba hiarovana anareo no anton\u2019izany.", "2": "Mitandrema amin\u2019ny alika, mitandrema amin\u2019izay manisy ratsy olona, ary mitandrema amin\u2019izay mampirisika anareo hoforana.", "3": "Fa isika no tena voafora, satria manao fanompoana masina amin\u2019ny alalan\u2019ny fanahin\u2019Andriamanitra, ary i Kristy Jesosy no reharehantsika. Tsy miantehitra amin\u2019ny nofo isika.", "4": "Raha misy olona tena manana antony ianteherana amin\u2019ny nofo, dia izaho. Ary raha misy mieritreritra hoe afaka miantehitra amin\u2019ny nofo, dia izaho mbola mihoatra noho izy.", "5": "Noforana tamin\u2019ny andro fahavalo mantsy aho, avy tamin\u2019ny firenen\u2019Israely, avy tamin\u2019ny fokon\u2019i Benjamina, Hebreo nateraky ny Hebreo, ary Fariseo raha ny lal\u00e0na no resahina.", "6": "Raha ny hafanam-po no resahina, dia nanenjika ny fiangonana aho, ary raha ny amin\u2019ny fankatoavana an\u2019izay lazain\u2019ny lal\u00e0na hoe marina, dia hita hoe tsy nisy tsiny aho.", "7": "Heveriko ho fatiantoka anefa ireny tombony azoko taloha ireny, noho i Kristy.", "8": "Ankoatra izay, dia tena heveriko ho fatiantoka koa ny zava-drehetra, satria sarobidy lavitra ny mahalala an\u2019i Kristy Jesosy Tompoko. Noho izy dia nafoiko ny zava-drehetra, ary noheveriko ho toy ny fako mivangongo ireny. Amin\u2019izay aho hahazo sitraka amin\u2019i Kristy,", "9": "sady ho hita hoe tafaray aminy. Tsy hoe noho izaho manaraka ny Lal\u00e0na anefa no anambarana ahy hoe olo-marina, fa noho izaho mino an\u2019i Kristy. Fa ambaran\u2019Andriamanitra hoe marina aho, satria manam-pinoana.", "10": "Ny tanjoko mantsy dia ny hahafantatra azy sy ny herin\u2019ny fitsanganany amin\u2019ny maty, ary ny ho vonona hijaly hoatr\u2019azy koa, ka hanaiky ho faty toa azy.", "11": "Ataoko tanjona koa ny hiezaka mafy sao mba mety ho anisan\u2019ny hatsangana amin\u2019ny maty aloha kokoa aho.", "12": "Tsy hoe efa nahazo an\u2019ilay loka aho, na efa natao lavorary. Mbola miezaka kosa aho sao mba ho azoko ilay izy, satria izany no antony nifidianan\u2019i Kristy Jesosy ahy.", "13": "Ry\u00a0rahalahy, tsy mieritreritra aho akory hoe efa nahazo an\u2019ilay loka. Izao zavatra iray izao anefa no azoko antoka: Manadino ny zavatra any aoriana aho ary mikely aina hanatratra ny eo aloha.", "14": "Fa miezaka manatratra an\u2019ilay tanjona aho, izany hoe ilay loka homen\u2019Andriamanitra an\u2019izay antsoiny amin\u2019ny alalan\u2019i Kristy Jesosy. Fiainana any an-danitra izany loka izany.", "15": "Tokony hanana an\u2019izany toe-tsaina izany \u00e0ry izay matotra amintsika. Ary raha mitady hieritreritra zavatra hafa ianareo, na inona izany na inona, dia hataon\u2019Andriamanitra fantatrareo izany toe-tsaina izany.", "16": "Efa misy fandrosoana vitantsika anefa, ka andao isika hiezaka handroso hoatr\u2019izany foana.", "17": "Manahafa ahy daholo ianareo, ry\u00a0rahalahy, ary diniho tsara izay manaraka an\u2019ilay modely nasehonay taminareo.", "18": "Maro mantsy no mitsangana ho fahavalon\u2019ny hazo fijalian\u2019i Kristy.\u2014Efa niresaka matetika momba azy ireny aho, ary mbola miresaka momba azy ireny ihany izao, sady mirotsaka ny ranomasoko.\u2014", "19": "Fandringanana no hiafaran\u2019ireny, ary ny kibony no andriamaniny. Ny zavatra tena tokony hahamenatra azy indray no ataony ho voninahitra, ary ny zavatra et\u1ef3 an-tany no ifantohan\u2019ny sainy.", "20": "Olom-pirenen\u2019ny lanitra anefa isika, ary tena miandry mafy an\u2019ilay mpamonjy avy any, dia i Jesosy Kristy Tompo.", "21": "Izy no hanova an\u2019ity vatantsika tsinontsinona ity mba ho lasa hoatran\u2019ny vatany be\u00a0voninahitra. Ny heriny lehibe no hanaovany an\u2019izany, dia ilay hery ampiasainy mba hahatonga ny zava-drehetra ho eo ambany fahefany." }, "4": { "1": "Noho izany, ry rahalahy tena tiako sy mahamanina ahy, ry\u00a0fifaliako sy satroboninahitro, ry\u00a0malalako, miezaha ho mafy orina toy izany ao amin\u2019ny Tompo.", "2": "Mampirisika an\u2019i Eodia aho, sady mampirisika an\u2019i Syntyke koa, mba hiray saina ao amin\u2019ny Tompo.", "3": "Ary mangataka anao aho, ry\u00a0ilay tena mpiara-miasa amiko, mba hanampy azy roa vavy foana. Niezaka be nitory ny vaovao tsara niaraka tamiko mantsy izy roa vavy, sady niaraka tamin\u2019i Klementa sy ny mpiara-miasa amiko hafa, izay samy voasoratra anarana ao amin\u2019ny bokin\u2019ny fiainana.", "4": "Mifalia foana noho ny amin\u2019 ny Tompo. Averiko ihany hoe: Mifalia!", "5": "Ataovy fantatry ny olona rehetra hoe mahay mandanjalanja ianareo. Akaiky ny Tompo.", "6": "Aza manahy na amin\u2019inona na amin\u2019inona, fa amin\u2019ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an\u2019Andriamanitra ny fangatahanareo, amin\u2019ny alalan\u2019ny vavaka sy ny fitalahoana ary ny fisaorana.", "7": "Ary ny fiadanan\u2019Andriamanitra, izay mihoatra lavitra noho izay rehetra takatry ny sain\u2019olombelona, no hiambina ny fonareo sy ny sainareo amin\u2019ny alalan\u2019i Kristy Jesosy.", "8": "Ary farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona zava-dehibe, na inona na inona mety, na inona na inona madio, na inona na inona mahatehotia, na inona na inona tsara laza, na inona na inona mendrika, ary na inona na inona mendri-piderana, dia izany foana saintsainina.", "9": "Ataovy foana izay zavatra nianaranareo sady nekenareo sy henonareo ary hitanareo tamiko. Ary hitahy anareo anie ilay Andriamanitry ny fiadanana!", "10": "Tena faly\u00a0be aho noho ny amin\u2019ny Tompo, satria ela ny ela ka lasa mieritreritra an\u2019izay mahasoa ahy indray ianareo izao. Efa tena nieritreritra ny hanampy ahy ihany ianareo, saingy tsy nahita hirika.", "11": "Tsy hoe sahirana aho matoa miteny an\u2019izany. Efa nianatra ny hianina amin\u2019izay zava-misy eo mantsy aho.", "12": "Haiko ny hoe mihafy, nefa haiko koa ny hoe manam-be. Nianatra ny ho afa-po foana aho na voky na noana, ary na manam-be na tsy manana mihitsy, na inona na inona mitranga eo amin\u2019ny fiainako.", "13": "Fa manana ny hery hiatrehana an\u2019izay rehetra mitranga aho, noho ilay manome hery ahy.", "14": "Na izany aza, dia tsara ny nataonareo satria nanampy ahy tamin\u2019ny fahoriako ianareo.", "15": "Fantatrareo Filipianina koa fa tsy mba nisy fiangonana nanampy ahy na nanaiky hampiako, afa-tsy ianareo ihany, tamin\u2019ianareo vao naheno momba ny vaovao tsara, rehefa niala tany Makedonia aho.", "16": "Tamin\u2019izaho mbola tany Tesalonika mantsy, dia nandefa zavatra ho ahy ianareo, ary tsy indray mandeha fotsiny fa indroa, mba hahazoako an\u2019izay nilaiko.", "17": "Tsy hoe te hahazo fanomezana aho, fa tiako raha mba manao zavatra tsara foana ianareo mba hitombo ny harenanareo.", "18": "Manana an\u2019izay rehetra ilaiko anefa aho, ary mihoatra aza. Tsy misy mahory ahy mihitsy izao, satria voaraiko ny zavatra nampitondrainareo an\u2019i Epafrodito. Hanitra mahafinaritra sy sorona ankasitrahan\u2019Andriamanitra ireny zavatra ireny sady tena mahafaly azy.", "19": "Ary ilay Andriamanitro izay manan-karena voninahitra kosa no hanome anareo an\u2019izay ilainareo, amin\u2019ny alalan\u2019i Kristy Jesosy.", "20": "Ho an\u2019Andriamanitra Raintsika anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay! Amena.", "21": "Mampamangy any amin\u2019ny olona masina rehetra tafaray amin\u2019i Kristy Jesosy. Mampamangy, hono, ianareo, hoy ireo rahalahy eto amiko.", "22": "Mampamangy, hono, ianareo, hoy ny olona masina rehetra, indrindra fa izay ao an-dapan\u2019i Kaisara.", "23": "Enga anie ianareo hanehoan\u2019i Jesosy Kristy Tompo hatsaram-panahy miavaka satria manana toe-tsaina tsara!" }, "meta": { "name": "Filipianina", "order": 49, "chapter_number": 4 } }