UNPKG

mg-bibles

Version:

A package for accessing Bible verses in Malagasy (MG), Diem, King James (KJV), and Louis Segond (APEE) versions

35 lines (34 loc) 3.73 kB
{ "1": { "1": "Avy amin\u2019i Paoly, izay migadra noho ny finoana an\u2019i Kristy Jesosy, sy avy amin\u2019i Timoty rahalahintsika. Ho an\u2019i Filemona malalanay sy mpiara-miasa aminay,", "2": "sy Apia anabavinay, sy Arkipo miaramilan\u2019i Kristy toa anay, ary ho an\u2019ny fiangonana mivory ao an-tranonao,", "3": "Enga anie ilay Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo mba haneho hatsaram-panahy miavaka aminareo sady hanome fiadanana anareo!", "4": "Misaotra an\u2019Andriamanitra foana aho rehefa mahatsiaro anao amin\u2019ny vavaka,", "5": "satria henoko hoe manam-pinoana ianao sady tia an\u2019i Jesosy Tompo sy ny olona masina rehetra.", "6": "Mivavaka aho hoe enga anie ny finoanao sy ny an\u2019ny mpiray finoana aminao ka hahatonga anao hiaiky hoe nahazo zavatra tsara be dia be tamin\u2019ny alalan\u2019i Kristy isika.", "7": "Tena nahafaly sy nankahery ahy, ry\u00a0rahalahy, ny naheno hoe be\u00a0fitiavana ianao. Namelombelona ny fon\u2019ny olona masina mantsy ianao.", "8": "Koa azoko atao tsara ny mandidy anao hanao an\u2019izay tokony hataonao, noho izaho apostolin\u2019i Kristy. Na izany aza anefa,", "9": "dia aleoko miangavy anao satria be\u00a0fitiavana ianao. Izaho Paoly mantsy efa antitra sady migadra noho ny finoana an\u2019i Kristy Jesosy.", "10": "Miangavy ho an\u2019i Onesimosy zanako aho, satria lasa hoatran\u2019ny rainy aho amin\u2019izao migadra izao.", "11": "Tsy nahasoa anao izy teo aloha, fa mahasoa ahy sy ianao kosa izy izao.", "12": "Asaiko miverina any aminao izy, ilay tena tiako.", "13": "Tiako hijanona at\u1ef3 amiko izy mba hisolo anao hikarakara ahy at\u1ef3 am-ponja, noho izaho migadra satria nitory ny vaovao tsara.", "14": "Tsy te hanao na inona na inona anefa aho raha tsy efa manaiky ianao, mba ho vokatry ny fo ny soa ataonao fa tsy an-tery.", "15": "Izao angamba no tena nahatonga azy handositra vetivety: Mba hanananao azy indray mandrakizay.", "16": "Ary tsy ho mpanompo intsony izy amin\u2019izay fa ho tsara kokoa noho izany, satria efa lasa rahalahy malalantsika izy. Tena tiako izy ary mino aho fa ianao mbola ho tia azy kokoa noho izaho, satria mpanomponao sady rahalahinao ao amin\u2019ny Tompo izy.", "17": "Raha tena namanao \u00e0ry aho, dia raiso tsara izy, hoatran\u2019ny andraisanao ahy.", "18": "Raha nisy tsy nety nataony taminao, dia ataovy hoatran\u2019ny hoe izaho no nanao an\u2019ilay izy. Raha anananao trosa koa izy, dia ataovy hoatran\u2019ny hoe trosako izany.", "19": "Izaho Paoly mihitsy no manoratra an\u2019ity: Izaho no hanonitra an\u2019izany. Ianao koa aza mbola ananako trosa, ary ianao mihitsy izany trosa izany.", "20": "Enga anie ianao, ry\u00a0rahalahy, mba hanampy ahy amin\u2019izany, satria samy mpanompon\u2019ny Tompo isika! Enga anie ianao hamelombelona ny foko noho ianao mpanara-dia an\u2019i Kristy!", "21": "Matoky aho fa hanaiky ianao, ka izany no anoratako aminao. Fantatro mantsy fa hanao mihoatra noho izay lazaiko ianao.", "22": "Mba anomano toerana hipetrahako koa aho. Manantena mantsy aho hoe hafahana ka ho tonga any aminareo indray, satria mivavaka ho ahy ianareo.", "23": "Mampamangy, hono, ianao hoy i Epafra, izay miara-migadra amiko noho ny finoana an\u2019i Kristy Jesosy.", "24": "Mampamangy koa hoy i Marka, Aristarko, Demasy, ary Lioka, izay samy mpiara-miasa amiko.", "25": "Enga anie i Jesosy Kristy Tompo haneho hatsaram-panahy miavaka aminareo satria tsara ny toe-tsainareo!" }, "meta": { "name": "Filemona", "order": 56, "chapter_number": 1 } }