mg-bibles
Version:
A package for accessing Bible verses in Malagasy (MG), Diem, King James (KJV), and Louis Segond (APEE) versions
308 lines • 52.9 kB
JSON
{
"1": {
"1": "Tamin\u2019ny taona voalohany nanjakan\u2019i Kyrosy mpanjakan\u2019i Persa, dia nampirisihin\u2019i Jehovah hanao fanambarana nanerana ny fanjakany i Kyrosy mpanjakan\u2019i Persa, mba ho tanteraka ny tenin\u2019i Jehovah nolazain\u2019i Jeremia. Nataony an-tsoratra koa ilay fanambarana, hoe:",
"2": "\u201cIzao no tenin\u2019i Kyrosy mpanjakan\u2019i Persa: \u2018Efa nanome ahy ny fanjakana rehetra eto an-tany i Jehovah Andriamanitry ny lanitra, ary naniraka ahy hanorina trano ho azy any Jerosalema, any Joda.",
"3": "Iza aminareo \u00e0ry no anisan\u2019ny vahoakany? Enga anie hanampy azy ny Andriamaniny! Dia aleo izy hiakatra ho any Jerosalema, any Joda, ka hanorina indray ny tranon\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely\u2014Izy no tena Andriamanitra\u2014izany hoe ilay tranony tany Jerosalema.",
"4": "Raha vahiny mipetraka any an-tanin\u2019olona izy, na aiza na aiza, dia tokony hampian\u2019ny mpiara-monina aminy, ka homeny volafotsy, sy volamena, sy zavatra hafa, sy biby fiompy, ary fanatitra an-tsitrapo ho an\u2019ny tranon\u2019ilay tena Andriamanitra izay tany Jerosalema.\u2019\u201d",
"5": "Dia niomankomana handeha ny lohan\u2019ny fianakaviamben\u2019ny Joda sy Benjamina ary ny mpisorona sy ny Levita, izany hoe izay rehetra nentanin\u2019ilay tena Andriamanitra, mba hanorina indray an\u2019ilay tranon\u2019i Jehovah tany Jerosalema.",
"6": "Nanampy azy daholo ny manodidina ka nanome fitaovana volafotsy sy volamena, sy zavatra hafa, sy biby fiompy, ary zava-tsarobidy, ankoatra ny zavatra rehetra hatao fanatitra an-tsitrapo.",
"7": "Navoakan\u2019i Kyrosy Mpanjaka koa ny fitaovana tao an-tranon\u2019i Jehovah, izay efa nalain\u2019i Nebokadnezara avy tany Jerosalema sady nataony tao an-tranon\u2019ny andriamaniny.",
"8": "Navoakan\u2019i Kyrosy Mpanjaka izany, ka i Mitredata mpitahiry ny harenam-panjakana, no nasainy nanara-maso sy nanisa an\u2019izany mba homena an\u2019i Sesbazara, mpiadidy teo amin\u2019ny Joda.",
"9": "Izao no isany: Haron-kely volamena 30, haron-kely volafotsy 1\u00a0000, fitaovana 29 fanampiny,",
"10": "vilia baolina kely volamena 30, vilia baolina kely volafotsy 410, ary fitaovana hafa 1\u00a0000.",
"11": "Nisy 5\u00a0400 ny isan\u2019ny fitaovana volamena sy volafotsy rehetra. Nentin\u2019i Sesbazara daholo izany, rehefa niala tany Babylona mba ho any Jerosalema ny olona natao sesitany."
},
"2": {
"1": "Ireto ny olona avy any amin\u2019ny faritany tonga avy any Babylona. Anisan\u2019ny nataon\u2019i Nebokadnezara mpanjakan\u2019i Babylona sesitany tany Babylona izy ireo. Samy niverina tany amin\u2019ny tan\u00e0nany tany Jerosalema sy Joda izy ireo, tat\u1ef3 aoriana,",
"2": "ary niara-tonga tamin\u2019i Zerobabela, Jesoa, Nehemia, Seraia, Relaia, Mordekay, Bilsana, Mispara, Bigvay, Rehoma, ary Bana. Ireto ny isan\u2019ny lehilahy israelita:",
"3": "Nisy 2\u00a0172 ny taranak\u2019i Parosy,",
"4": "372 ny taranak\u2019i Sefatia,",
"5": "775 ny taranak\u2019i Ara,",
"6": "2\u00a0812 ny taranak\u2019i Pahata-moaba avy amin\u2019ny taranak\u2019i Jesoa sy Joaba,",
"7": "1\u00a0254 ny taranak\u2019i Elama,",
"8": "945 ny taranak\u2019i Zato,",
"9": "760\u00a0ny taranak\u2019i Zakay,",
"10": "642\u00a0ny taranak\u2019i Bany,",
"11": "623 ny taranak\u2019i Bebay,",
"12": "1\u00a0222 ny taranak\u2019i Azgada,",
"13": "666 ny taranak\u2019i Adonikama,",
"14": "2\u00a0056 ny taranak\u2019i Bigvay,",
"15": "454 ny taranak\u2019i Adina,",
"16": "98\u00a0ny taranak\u2019i Atera, avy amin\u2019ny ankohonan\u2019i Hezekia,",
"17": "323 ny taranak\u2019i Bezay,",
"18": "112 ny taranak\u2019 i Jora,",
"19": "223 ny taranak\u2019i Hasoma,",
"20": "95 ny taranak\u2019i Gibara,",
"21": "123 ny avy any Betlehema,",
"22": "56 ny avy any Netofa,",
"23": "128 ny Anatotita,",
"24": "42 ny avy any Azmaveta,",
"25": "743 ny avy any Kiriata-jearima sy Kefira ary Berota,",
"26": "621 ny avy any Rama sy Geba,",
"27": "122 ny avy any Mikmasy,",
"28": "223 ny avy any Betela sy Ay,",
"29": "52 ny avy any Nebo,",
"30": "156 ny taranak\u2019i Magbisy,",
"31": "1\u00a0254 ny taranak\u2019ilay Elama anankiray,",
"32": "320 ny taranak\u2019i Harima,",
"33": "725 ny avy any Loda sy Hadida ary Ono,",
"34": "345 ny avy any Jeriko,",
"35": "ary 3\u00a0630 ny taranak\u2019i Sena.",
"36": "Ireto ny mpisorona: Nisy 973 ny taranak\u2019i Jedaia avy amin\u2019ny ankohonan\u2019i Jesoa,",
"37": "1\u00a0052 ny taranak\u2019i Imera,",
"38": "1\u00a0247 ny taranak\u2019i Pasora,",
"39": "ary 1\u00a0017 ny taranak\u2019i Harima.",
"40": "Ireto ny Levita: Nisy 74 ny taranak\u2019i Jesoa sy Kadmiela, izay samy avy amin\u2019ny taranak\u2019i Hodavia,",
"41": "128 ny mpihira taranak\u2019i Asafa,",
"42": "ary 139 ny fitambaran\u2019ny taranak\u2019ireo mpiandry vavahady, izany hoe ny taranak\u2019i Saloma, ny taranak\u2019i Atera, ny taranak\u2019i Talmona, ny taranak\u2019i Akoba, ny taranak\u2019i Hatita, ary ny taranak\u2019i Sobay.",
"43": "Ireto ny mpanompo tao amin\u2019ny tempoly: Ny taranak\u2019i Ziha, ny taranak\u2019i Hasofa, ny taranak\u2019i Tabaota,",
"44": "ny taranak\u2019i Kerosa, ny taranak\u2019i Siaha, ny taranak\u2019i Padona,",
"45": "ny taranak\u2019i Lebana, ny taranak\u2019i Hagabaha, ny taranak\u2019i Akoba,",
"46": "ny taranak\u2019i Hagaba, ny taranak\u2019i Salmay, ny taranak\u2019i Hanana,",
"47": "ny taranak\u2019i Gidela, ny taranak\u2019i Gahara, ny taranak\u2019i Reaia,",
"48": "ny taranak\u2019i Rezina, ny taranak\u2019i Nekoda, ny taranak\u2019i Gazama,",
"49": "ny taranak\u2019i Oza, ny taranak\u2019i Pasea, ny taranak\u2019i Besay,",
"50": "ny taranak\u2019i Asna, ny taranaky ny Meonita, ny taranak\u2019i Nefosima,",
"51": "ny taranak\u2019i Bakboka, ny taranak\u2019i Hakafa, ny taranak\u2019i Harora,",
"52": "ny taranak\u2019i Bazlota, ny taranak\u2019i Mehida, ny taranak\u2019i Harsa,",
"53": "ny taranak\u2019i Barkosa, ny taranak\u2019i Sisera, ny taranak\u2019i Tema,",
"54": "ny taranak\u2019i Nezia, ary ny taranak\u2019i Hatifa.",
"55": "Ireto avy ny taranaky ny mpanompon\u2019i Solomona: Ny taranak\u2019i Sotahy, ny taranak\u2019i Sofereta, ny taranak\u2019i Peroda,",
"56": "ny taranak\u2019i Jala, ny taranak\u2019i Darkona, ny taranak\u2019i Gidela,",
"57": "ny taranak\u2019i Sefatia, ny taranak\u2019i Hatila, ny taranak\u2019i Pokereta-hazebaima, ary ny taranak\u2019i Amy.",
"58": "Nisy 392 ny mpanompo tao amin\u2019ny tempoly sy ny taranaky ny mpanompon\u2019i Solomona.",
"59": "Ary ireto avy no niakatra avy tany Tela-mela sy Tela-harsa sy Keroba sy Adona ary Imera, nefa tsy afaka nanamarina hoe iza no fianakaviambeny avy amin\u2019ny rainy ary inona no fiaviany, na hoe Israelita izy sa tsia:",
"60": "Ny taranak\u2019i Delaia sy ny taranak\u2019i Tobia ary ny taranak\u2019i Nekoda, izay nisy 652.",
"61": "Ary ireto ny avy amin\u2019ny taranaky ny mpisorona: Ny taranak\u2019i Habaia sy ny taranak\u2019i Hakoza ary ny taranak\u2019i Barzilay, ilay naka vady tamin\u2019ny zanakavavin\u2019i Barzilay Gileadita ka nantsoina tamin\u2019ny anaran\u2019ny rafozany.",
"62": "Ireo no nitady ny lisitra tokony hisy ny anarany mba hanamarinana ny razambe niaviany. Tsy nahita ny anarany tao anefa izy ireo, ka tsy navela ho anisan\u2019ny mpisorona.",
"63": "Nilaza tamin\u2019izy ireo ny governora fa tsy mahazo mihinana ny zavatra masina indrindra izy ireo, raha tsy rehefa misy mpisorona afaka mamantatra an\u2019izany amin\u2019ny Orima sy Tomima.",
"64": "Nisy 42\u00a0360 ny fitambaran\u2019ny fiangonana manontolo,",
"65": "ankoatra ny mpanompolahy sy mpanompovavy 7\u00a0337. Nanana mpihira lahy sy vavy 200 koa izy ireo.",
"66": "Nanana soavaly 736 izy ireo, ramole 245,",
"67": "rameva 435, ary ampondra 6\u00a0720.",
"68": "Rehefa tonga tao an-tranon\u2019i Jehovah tany Jerosalema ny sasany tamin\u2019ireo lohan\u2019ny fianakaviambe, dia nanao fanatitra an-tsitrapo ho an\u2019ny\u00a0tranon\u2019ilay tena Andriamanitra izy ireo, mba hanorenana azy io indray eo amin\u2019ilay toerany taloha.",
"69": "Arakaraka izay nananany no nomeny hatao ao amin\u2019ny tahiry hanaovana an\u2019ilay asa, dia 61\u00a0000 drakma volamena, sy 5\u00a0000 mina volafotsy, ary akanjo lava 100 ho an\u2019ny mpisorona.",
"70": "Ary nipetraka tany amin\u2019ny tan\u00e0nany avy ny mpisorona sy ny Levita, ny olona sasany, ny mpihira, ny mpiandry vavahady, ary ny mpanompo tao amin\u2019ny tempoly. Samy nipetraka tany amin\u2019ny tan\u00e0nany koa ny sisa tamin\u2019ny Israely rehetra."
},
"3": {
"1": "Efa samy tany amin\u2019ny tan\u00e0nany avy ny Israelita, tamin\u2019ny volana fahafito. Dia niray saina izy ireo ka nivory tao Jerosalema.",
"2": "Ary nanorina ny alitaran\u2019ilay Andriamanitry ny Israely i Jesoa zanak\u2019i Jozadaka, sy ny mpisorona hafa, ary Zerobabela zanak\u2019i Sealtiela sy ireo rahalahiny. Amin\u2019izay izy ireo ho afaka hanolotra sorona dorana eo ambonin\u2019izy io, araka izay voasoratra ao amin\u2019ny Lal\u00e0n\u2019i Mosesy, lehilahin\u2019Andriamanitra.",
"3": "Dia nataon\u2019izy ireo teo amin\u2019ilay toerany taloha ilay alitara, na dia natahotra ny mponina manodidina aza izy ireo. Ary nanolotra sorona dorana ho an\u2019i Jehovah teo ambonin\u2019ilay alitara izy ireo, dia ny sorona dorana amin\u2019ny maraina sy hariva.",
"4": "Dia nankalaza ny Fetin\u2019ny Trano Rantsankazo araka izay voasoratra izy ireo, ka nanao sorona dorana isan\u2019andro, araka ny isa notakina ho an\u2019ny andro tsirairay.",
"5": "Nataon\u2019izy ireo koa ny fanatitra dorana atolotra tsy tapaka, sy ny fanatitra fanao amin\u2019ny tsinam-bolana sy amin\u2019ny fotoanan\u2019ny fety masina rehetra ho an\u2019i Jehovah, ary ny fanatitra nomen\u2019izay te hanolotra fanatitra an-tsitrapo ho an\u2019i Jehovah.",
"6": "Koa nanolotra sorona dorana ho an\u2019i Jehovah izy ireo, nanomboka tamin\u2019ny andro voalohan\u2019ny volana fahafito, na dia mbola tsy napetraka aza ny fototry ny tempolin\u2019i Jehovah.",
"7": "Nomen\u2019izy ireo vola ny mpipai-bato sy ny mpanao asa tanana. Ary nomeny sakafo sy zava-pisotro ary menaka ny olona avy any Sidona sy Tyro. Ireo mantsy no nandefa hazo sedera teny amin\u2019ny ranomasina avy any Lib\u00e0na ka hatrany Jopa, araka ny fanomezan-dalana nomen\u2019i Kyrosy mpanjakan\u2019i Persa azy.",
"8": "Tamin\u2019ny volana faharoan\u2019ny taona faharoa, taorian\u2019ny nahatongavan\u2019izy ireo teo amin\u2019ny tranon\u2019ilay tena Andriamanitra tany Jerosalema, dia nanomboka an\u2019ilay asa i Zerobabela zanak\u2019i Sealtiela, sy Jesoa zanak\u2019i Jozadaka, sy ny rahalahin\u2019izy ireo hafa, dia ny mpisorona sy ny Levita ary izay rehetra babo ka niverina tany Jerosalema. Notendren\u2019 izy ireo ho mpanara-maso ny asa tao an-tranon\u2019i Jehovah ny Levita 20\u00a0taona no ho miakatra.",
"9": "Dia niara-niasa mba hanara-maso an\u2019ireo niasa tao amin\u2019ny tranon\u2019ilay tena Andriamanitra i Jesoa sy ny zanany sy ny rahalahiny, Kadmiela sy ny zanany, izay taranak\u2019i Joda, ary ny taranak\u2019i Henadada sy ny zanak\u2019ireo ary ny rahalahiny, izay samy Levita.",
"10": "Ary nandatsaka ny fototry ny tempolin\u2019i Jehovah ny mpanorina. Dia nijoro teo mba hidera an\u2019i Jehovah ny mpisorona sy ny Levita taranak\u2019i Asafa, araka ny toromarik\u2019i Davida mpanjakan\u2019ny Israely. Nanao akanjona mpisorona ny mpisorona tamin\u2019izay sady nitondra trompetra, fa ny Levita kosa nitondra kipantsona.",
"11": "Ary nanao hira nifamaly izy ireo ka nidera sy nisaotra an\u2019i Jehovah, \u201cfa tsara izy; tia ny Israely izy sady tsy mivadika aminy mandrakizay.\u201d Dia nihoby mafy nidera an\u2019i Jehovah ny olona rehetra, satria tafapetraka ny fototry ny tranon\u2019i Jehovah.",
"12": "Be dia be tamin\u2019ny mpisorona sy ny Levita ary ny lohan\u2019ireo fianakaviambe, izany hoe tamin\u2019ireo lehilahy zokiolona nahita an\u2019ilay trano taloha, no nigogogogo nitomany rehefa nahita hoe tafapetraka ny fototr\u2019ilay trano. Be dia be koa anefa ny olon-kafa nihoby mafy.",
"13": "Koa tsy hay intsony ny nanavaka ny feon\u2019izay faly sy nihorakoraka sy izay nitomany, satria nitabataba be ny olona ka heno hatrany lavitra be ilay feo."
},
"4": {
"1": "Henon\u2019ny fahavalon\u2019ny Joda sy Benjamina fa nanorina tempoly ho an\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely ny olona nody avy tany an-tsesitany.",
"2": "Dia nanatona an\u2019i Zerobabela sy ireo lohan\u2019ny fianakaviambe avy hatrany izy ireo, ka nilaza hoe: \u201cAvelao izahay hiara-manorina aminareo. Fa manompo an\u2019ilay Andriamanitrareo koa izahay, hoatr\u2019anareo ihany. Ary izy no anoloranay sorona, efa hatramin\u2019ny andron\u2019i Esara-hadona mpanjakan\u2019i Asyria, ilay nitondra anay tat\u1ef3.\u201d",
"3": "Hoy anefa i Zerobabela sy Jesoa ary ny sisa tamin\u2019ireo lohan\u2019ny fianakaviamben\u2019ny Israely: \u201cTsy manan-jo hiaraka aminay hanorina trano ho an\u2019ny Andriamanitray ianareo. Fa izahay ihany no hanorina azy ho an\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely, araka ny didin\u2019i Kyrosy mpanjakan\u2019i Persa.\u201d",
"4": "Ary nanakivy sy nanaketraka ny mponin\u2019i Joda foana ny olona manodidina, amin\u2019izay izy ireo tsy hazoto hanorina intsony.",
"5": "Nanakarama mpanolo-tsaina hanohitra azy ireo koa izy ireny tamin\u2019ny andro rehetra nanjakan\u2019i Kyrosy mpanjakan\u2019i Persa, ka hatramin\u2019ny nanjakan\u2019i Dariosy mpanjakan\u2019i Persa, mba tsy ho tanteraka ilay tetikasa.",
"6": "Ary nanoratra taratasy hiampangana ny mponin\u2019i Joda sy Jerosalema izy ireny, raha vao nanjaka i Ahasoerosy.",
"7": "Nanoratra ho an\u2019i Artaksersesy mpanjakan\u2019i Persa koa ry Bislama sy Mitredata sy Tabela ary ny mpiara-miasa aminy sasany, tamin\u2019ny andron\u2019i Artaksersesy. Nadikany tamin\u2019ny fiteny aramianina ilay taratasy, ka soratra aramianina no nanoratany azy.",
"8": "* Nanoratra taratasy hiampangana ny mponin\u2019i Jerosalema tany amin\u2019i Artaksersesy Mpanjaka i Rehoma lehiben\u2019ny tompon\u2019andraiki-panjakana sy Simsay mpanoratra. Izao ilay taratasy:",
"9": "\u2014Ireto avy no nanoratra: I Rehoma lehiben\u2019ny tompon\u2019andraiki-panjakana sy Simsay mpanoratra, sy ny mpiara-miasa aminy sasany, ny mpitsara, ny governora lefitra, ny mpitan-tsoratra, ny olona any Ereka, ny Babylonianina, ny mponin\u2019i Sosa, izany hoe ny Elamita,",
"10": "ny sisa tavela amin\u2019ireo firenena natao sesitany, izay napetrak\u2019i Asnapara lehibe sady mendri-kaja tany amin\u2019ireo tan\u00e0nan\u2019i Samaria, ary ny sisa tavela tany amin\u2019ny faritra Ampitan\u2019ny Renirano. Ary",
"11": "ity ny dika mitovy amin\u2019ilay taratasy nalefan\u2019izy ireo tany aminy.\u2014 \u201cHo an\u2019i Artaksersesy Mpanjaka. Manoratra ho anao ny mpanomponao at\u1ef3 amin\u2019ny faritra Ampitan\u2019ny Renirano.",
"12": "Tokony ho fantatry ny mpanjaka fa ireo Jiosy niala tany aminao ka nankat\u1ef3 aminay dia efa tonga any Jerosalema. Manorina indray an\u2019ilay tan\u00e0nan\u2019ny mpikomy sy ny olon-dratsy izy ireo, ary efa mamita ny manda sady manamboatra ny fototra.",
"13": "Tokony ho fantatry ny mpanjaka fa raha voaorina indray io tan\u00e0na io ary vita ny mandany, dia tsy handoa hetra na haba na hetran-dalana izy ireo, ka hiteraka fatiantoka ho an\u2019ny tahirim-bolam-panjakana izany.",
"14": "Izahay mantsy mandray karama avy any an-dapa, ary tsy mety aminay koa ny mijery fotsiny hoe ho matiantoka ny mpanjaka. Dia mandefa an\u2019izao taratasy izao izahay mba hampahafantarana an\u2019izany amin\u2019ny mpanjaka.",
"15": "Amin\u2019izay ianao mba mikaroka ao amin\u2019ny boky mirakitra ny tantaran\u2019ny razambenao. Dia ho hitanao ao amin\u2019ilay boky ka ho fantatrao fa tan\u00e0nan\u2019ny mpikomy izy io, ary mitondra fatiantoka ho an\u2019ny mpanjaka sy ny faritany. Efa hatry ny ela be no nisy mpitarika fikomiana tao. Dia izany no antony nandravana an\u2019io tan\u00e0na io.",
"16": "Ampahafantarinay anao, ry mpanjaka, fa raha voaorina indray io tan\u00e0na io ka vita ny mandany, dia tsy ho voafehinao intsony ny faritra at\u1ef3 Ampitan\u2019ny Renirano.\u201d",
"17": "Izao no taratasy nalefan\u2019ny mpanjaka ho an\u2019i Rehoma lehiben\u2019ny tompon\u2019andraiki-panjakana, sy Simsay mpanoratra, sy ny mpiara-miasa aminy sasany nipetraka tany Samaria, ary ny olona sisa tavela tat\u1ef3 amin\u2019ny faritra Ampitan\u2019ny Renirano: \u201cMiarahaba anareo aho!",
"18": "Efa voavaky tsara teto anatrehako ilay taratasy nalefanareo tat\u1ef3 aminay.",
"19": "Koa nampanao fikarohana aho, ka hita fa efa hatry ny ela be io tan\u00e0na io no nanohitra mpanjaka sady nikomy imbetsaka.",
"20": "Nisy mpanjaka nahery tao Jerosalema, ary ny faritra Ampitan\u2019ny Renirano manontolo no nanjakan\u2019izy ireo, ka nandoavana hetra sy haba ary hetran-dalana izy ireo.",
"21": "Koa omeo baiko ireo lehilahy ireo mba hanajanona an\u2019ilay asa, ka tsy hanorina an\u2019io tan\u00e0na io indray raha tsy izaho no manome baiko.",
"22": "Tandremo sao hataonareo tsirambina izany, sao vao mainka matiantoka ny mpanjaka.\u201d",
"23": "Rehefa voavaky teo anatrehan\u2019i Rehoma sy Simsay mpanoratra ary ny namany ny dika mitovy amin\u2019ilay taratasin\u2019i Artaksersesy Mpanjaka, dia lasa haingana izy ireo nankany amin\u2019ny Jiosy tany Jerosalema. Dia notereny hanajanona an\u2019ilay asa ny Jiosy.",
"24": "Tamin\u2019izay \u00e0ry ilay asa tao amin\u2019ny tranon\u2019Andriamanitra tany Jerosalema no nijanona. Mbola niato ilay izy hatramin\u2019ny taona faharoa nanjakan\u2019i Dariosy mpanjakan\u2019i Persa."
},
"5": {
"1": "Ary naminany tamin\u2019ny Jiosy tany Joda sy Jerosalema i Hagay mpaminany sy Zakaria mpaminany zafikelin\u2019i Ido. Naminany tamin\u2019ny anaran\u2019ilay Andriamanitry ny Israely nitarika azy ireo izy roa lahy.",
"2": "Tamin\u2019izay i Zerobabela zanak\u2019i Sealtiela sy Jesoa zanak\u2019i Jozadaka no nanomboka nanorina indray an\u2019ilay tranon\u2019Andriamanitra tany Jerosalema. Ary nisy mpaminanin\u2019Andriamanitra niaraka taminy sy nanampy azy.",
"3": "Tamin\u2019izay fotoana izay dia tonga teo aminy i Tatenay Governora tat\u1ef3 amin\u2019ny faritra Ampitan\u2019ny Renirano sy Setara-bozenay ary ny mpiara-miasa aminy, ka nanontany hoe: \u201cIza no nanome baiko anareo hanorina an\u2019io trano io sy handrafitra an\u2019io zavatra io?\u201d",
"4": "Hoy koa izy ireo: \u201cIza avy no anaran\u2019ny lehilahy manao an\u2019io trano io?\u201d",
"5": "Nitsinjo an\u2019ireo anti-panahin\u2019ny Jiosy anefa Andriamanitra, ka tsy nisy nahasakana azy ireo tsy hanohy an\u2019ilay asa, mandra-pandefa tatitra tany amin\u2019i Dariosy sy mandra-pahazo valin-taratasy momba an\u2019izany.",
"6": "Int\u1ef3 ny dika mitovy amin\u2019ilay taratasy ho an\u2019i Dariosy Mpanjaka, izay nalefan\u2019i Tatenay Governora tat\u1ef3 amin\u2019ny faritra Ampitan\u2019ny Renirano, sy Setara-bozenay, ary ny mpiara-miasa aminy, izay governora lefitra tat\u1ef3 amin\u2019ny faritra Ampitan\u2019ny Renirano.",
"7": "Nandefasan\u2019izy ireo tatitra izy, ka izao no voasoratra tao: \u201cHo an\u2019i Dariosy Mpanjaka: \u201cFiadanana anie ho anao!",
"8": "Tsara ho fantatry ny mpanjaka fa nankany amin\u2019ny faritanin\u2019i Joda izahay, tany an-tranon\u2019ilay Andriamanitra tena miavaka. Misy manorina izy io, ka vato lehibe nakodiadia no anaovana azy, ary efa napetraka ireo hazo ao anaty rindrina. Mazoto manao an\u2019ilay asa ny olona, ary mandroso haingana ilay izy.",
"9": "Dia nanontanianay ny anti-panahy teo amin\u2019izy ireo hoe: \u2018Iza no nanome baiko anareo hanorina an\u2019io trano io sy handrafitra an\u2019io zavatra io?\u2019",
"10": "Nanontanianay koa ny anaran\u2019izy ireo mba hahafahanay hanoratra ny anaran\u2019izay lehilahy mitarika azy, ka hampahafantarinay anao.",
"11": "\u201cDia izao no navalin\u2019izy ireo anay: \u2018Mpanompon\u2019ilay Andriamanitry ny lanitra sy ny tany izahay, ka manorina indray an\u2019ilay trano namboarina taona maro lasa izay. Mpanjaka niavaka iray teo amin\u2019ny Israely no nanorina sy namita azy io.",
"12": "Nampahatezitra an\u2019ilay Andriamanitry ny lanitra anefa ny razambenay, ka nataony resin\u2019i Nebokadnezara Kaldeanina, mpanjakan\u2019i Babylona. Dia noravan\u2019i Nebokadnezara ity trano ity, ary nataony sesitany tany Babylona ny vahoaka.",
"13": "Tamin\u2019ny taona voalohany nanjakan\u2019i Kyrosy mpanjakan\u2019i Babylona anefa, dia nanome baiko mba hanorenana indray an\u2019ity tranon\u2019Andriamanitra ity i Kyrosy Mpanjaka.",
"14": "Navoakan\u2019i Kyrosy Mpanjaka avy tao amin\u2019ny tempolin\u2019i Babylona koa ny fitaovana volamena sy volafotsy tato amin\u2019ny tranon\u2019Andriamanitra. Efa nalain\u2019i Nebokadnezara tato amin\u2019ny tempolin\u2019i Jerosalema ireny, dia nentiny tany amin\u2019ny tempolin\u2019i Babylona. Nomena an\u2019i Sesbazara ireny, dia ilay lehilahy nataon\u2019i Kyrosy governora.",
"15": "Hoy i Kyrosy taminy: \u201cEnto ireo fitaovana ireo ka apetraho ao amin\u2019ilay tempoly any Jerosalema. Dia aoreno indray eo amin\u2019ilay toerany taloha ny tranon\u2019Andriamanitra.\u201d",
"16": "Dia tonga io Sesbazara io ka nandatsaka ny fototry ny tranon\u2019Andriamanitra teto Jerosalema. Efa naorina ilay trano tamin\u2019izay, nefa mbola tsy vita hatramin\u2019izao.\u2019",
"17": "\u201cRaha mety amin\u2019ny mpanjaka \u00e0ry, dia maniraha olona hikaroka ao amin\u2019ny fitehirizana ny zava-tsarobidin\u2019ny mpanjaka ao Babylona, mba hahitana raha tena namoaka baiko tokoa i Kyrosy Mpanjaka hoe haorina indray io tranon\u2019Andriamanitra any Jerosalema io. Dia aleo alefa at\u1ef3 aminay izay tapaky ny mpanjaka momba an\u2019izany.\u201d"
},
"6": {
"1": "Tamin\u2019izay i Dariosy Mpanjaka no nanome baiko, ka nisy nanao fikarohana tao amin\u2019ny trano fitehirizana taratasy, izay nametrahana ny harena notehirizina tany Babylona.",
"2": "Dia nisy horonam-boky hita tao amin\u2019ilay tan\u00e0na voaro mafy tao Ekbatana, tany amin\u2019ny faritanin\u2019i Media, ka izao no didy voasoratra tao:",
"3": "\u201cTamin\u2019ny taona voalohany nanjakan\u2019i Kyrosy Mpanjaka, dia nanome an\u2019izao baiko izao momba ny tranon\u2019Andriamanitra any Jerosalema i Kyrosy Mpanjaka: \u2018Aoreno indray ilay trano ka ao no hanaovana sorona. Ataovy mafy tsara ny fototr\u2019ilay trano. Tokony hatao 60\u00a0hakiho ny haavony, ary 60\u00a0hakiho ny sakany.",
"4": "Ny rindrina kosa ataovy amin\u2019ny vato ngezabe, izay nakodiadia haka toerana. Ataovy telo andalana ireo vato ireo ary iray andalana ny vatan-kazo. Avy ao amin\u2019ny tranon\u2019ny mpanjaka ihany no handoavana ny lany.",
"5": "Tokony haverina koa ny fitaovana volamena sy volafotsy tao an-tranon\u2019Andriamanitra, izay nalain\u2019i Nebokadnezara tao amin\u2019ny tempoly tany Jerosalema ka nentiny tany Babylona. Amin\u2019izay dia haverina amin\u2019ny toerany ao amin\u2019ny tempoly any Jerosalema ireny, dia hapetraka ao an-tranon\u2019Andriamanitra.\u2019",
"6": "\u201cAza midikiditra amin\u2019izany \u00e0ry ianareo, ry Tatenay governoran\u2019ny faritra Ampitan\u2019ny Renirano sy Setara-bozenay ary ny mpiara-miasa aminareo, dia ireo governora lefitra any amin\u2019ny faritra Ampitan\u2019ny Renirano.",
"7": "Aza sakantsakanana ny asa ao amin\u2019io tranon\u2019Andriamanitra io. Fa hanorina indray ny tranon\u2019Andriamanitra eo amin\u2019ny toerany taloha ny governora sy ny anti-panahin\u2019ny Jiosy.",
"8": "Manome an\u2019izao baiko izao koa aho ny amin\u2019izay tokony hataonareo amin\u2019ireo anti-panahin\u2019ny Jiosy ireo, mba hanorenana indray an\u2019io tranon\u2019Andriamanitra io: Tokony homena an\u2019ireo lehilahy ireo avy hatrany ny vola holanina amin\u2019ilay asa, mba hitohy foana ilay izy. Avy amin\u2019ny trano fitehirizana ny harenan\u2019ny mpanjaka ilay izy no halaina, izany hoe avy amin\u2019ny hetra voangona any amin\u2019ny faritra Ampitan\u2019ny Renirano.",
"9": "Tsy maintsy homena azy ireo foana isan\u2019andro koa izay ilainy, dia vantotr\u2019ombilahy sy ondrilahy ary zanak\u2019ondry atao fanatitra dorana ho an\u2019ilay Andriamanitry ny lanitra, varimbazaha, sira, divay, ary menaka, araka izay lazain\u2019ireo mpisorona any Jerosalema.",
"10": "Amin\u2019izay izy ireo ho afaka hanolotra fanatitra tsy tapaka, izay mampifaly an\u2019ilay Andriamanitry ny lanitra, sady ho afaka hivavaka ho an\u2019ny mpanjaka sy ny zanany.",
"11": "Manome baiko koa aho fa izay tsy manaraka an\u2019izao didy izao, dia hakana hazo iray ny tranony ary hahantona eo amin\u2019ilay hazo izy. Ny tranony kosa hatao kabinem-bahoaka.",
"12": "Ary ilay Andriamanitra izay nametraka ny anarany any Jerosalema anie, hanongana an\u2019izay mpanjaka na olona mitady handika an\u2019izao didy izao sy mitady handrava an\u2019ilay tranon\u2019Andriamanitra any! Izaho Dariosy no manome baiko, ka ataovy avy hatrany izany.\u201d",
"13": "Tonga dia nanatanteraka ny baiko rehetra nomen\u2019i Dariosy Mpanjaka i Tatenay governoran\u2019ny faritra Ampitan\u2019ny Renirano sy Setara-bozenay ary ny mpiara-miasa aminy.",
"14": "Ary nanohy an\u2019ilay asa fanorenana foana ny anti-panahin\u2019ny Jiosy, ka nandroso tsara ilay izy. Nampahery azy ireo mantsy ny faminanian\u2019i Hagay mpaminany sy Zakaria zafikelin\u2019i Ido. Dia vitan\u2019izy ireo ilay trano, noho ny baikon\u2019ilay Andriamanitry ny Israely sy ny baikon\u2019i Kyrosy sy Dariosy ary Artaksersesy mpanjakan\u2019i Persa.",
"15": "Vitany tanteraka ilay trano tamin\u2019ny andro fahatelon\u2019ny volana Adara, tamin\u2019ny taona fahenina nanjakan\u2019i Dariosy Mpanjaka.",
"16": "Dia nitokana an\u2019ilay tranon\u2019Andriamanitra ny Israelita, izany hoe ny mpisorona sy ny Levita ary ny sisa tavela tamin\u2019ny olona avy natao sesitany. Faly be izy ireo tamin\u2019izay.",
"17": "Izao avy no natolotr\u2019izy ireo tamin\u2019ny fitokanana an\u2019io tranon\u2019Andriamanitra io: Omby 100, ondrilahy 200, zanak\u2019ondry 400, ary osilahy 12 ho fanatitra noho ny ota ho an\u2019ny Israely rehetra, mifanaraka amin\u2019ny isan\u2019ny fokon\u2019ny Israely.",
"18": "Dia notendren\u2019izy ireo araka ny sokajiny avy ny mpisorona, ary araka ny fizarany avy ny Levita mba hanao ny fanompoana an\u2019Andriamanitra tao Jerosalema, araka izay voasoratra ao amin\u2019ny bokin\u2019i Mosesy.",
"19": "Nankalaza ny Paska ny olona avy natao sesitany, tamin\u2019ny andro faha-14 amin\u2019ny volana voalohany.",
"20": "Samy nanadio ny tenany ny mpisorona sy ny Levita, ka nadio daholo. Koa novonoin\u2019izy ireo ny biby hatao sorona hankalazana ny Paska, ho an\u2019ny olona rehetra avy natao sesitany sy ho an\u2019ireo mpisorona hafa ary ho an\u2019ny tenany.",
"21": "Dia nihinana tamin\u2019izany ny Israelita nody avy any an-tsesitany, sy ny olona rehetra niaraka tamin\u2019izy ireo. Efa tsy nanao intsony an\u2019izay zavatra mandoto fanaon\u2019ny firenena teo amin\u2019ilay tany ireny olona ireny, mba hanompoany an\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely.",
"22": "Nankalaza ny Fetin\u2019ny Mofo Tsy Misy Lalivay nandritra ny fito andro koa izy ireo sady falifaly be. Nataon\u2019i Jehovah mantsy izay hahafaly azy ireo. Nataony tsara fanahy tamin\u2019izy ireo koa ny mpanjakan\u2019i Asyria, ka nanampy azy ireo tamin\u2019ilay asa fanorenana ny tranon\u2019ilay tena Andriamanitra, dia ny Andriamanitry ny Israely."
},
"7": {
"1": "Ary niverina i Ezra tat\u1ef3 aoriana, tamin\u2019ny fotoana nanjakan\u2019i Artaksersesy mpanjakan\u2019i Persa. I Ezra dia zanak\u2019i Seraia, zanak\u2019i Azaria, zanak\u2019i Hilkia,",
"2": "zanak\u2019i Saloma, zanak\u2019i Zadoka, zanak\u2019i Ahitoba,",
"3": "zanak\u2019i Amaria, zanak\u2019i Azaria, zanak\u2019i Meraiota,",
"4": "zanak\u2019i Zerahia, zanak\u2019i Ozy, zanak\u2019i Boky,",
"5": "zanak\u2019i Abisoa, zanak\u2019i Finehasa, zanak\u2019i Eleazara, zanak\u2019i Arona lehiben\u2019ny mpisorona.",
"6": "Niala avy tany Babylona io Ezra io. Mpanao dika soratra izy, ary tena nahay tsara ny Lal\u00e0n\u2019i Mosesy, izay nomen\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely. Nomen\u2019ny mpanjaka azy izay rehetra nangatahiny, satria nanampy azy ny tanan\u2019i Jehovah Andriamaniny.",
"7": "Niakatra nankany Jerosalema ny sasany tamin\u2019ny Israelita, ny mpisorona, ny Levita, ny mpihira, ny mpiandry vavahady, ary ny mpanompo tao amin\u2019ny tempoly, tamin\u2019ny taona fahafito nanjakan\u2019i Artaksersesy Mpanjaka.",
"8": "Ary tonga tany Jerosalema i Ezra tamin\u2019ny volana fahadimy, tamin\u2019ny taona fahafito nanjakan\u2019io mpanjaka io.",
"9": "Tamin\u2019ny andro voalohan\u2019ny volana voalohany i Ezra no nanomboka an\u2019ilay diany avy tany Babylona, ary tonga tany Jerosalema izy tamin\u2019ny andro voalohan\u2019ny volana fahadimy. Nanampy azy mantsy ny tanan\u2019ny Andriamaniny.",
"10": "Efa nanomana ny fony i Ezra mba handinika sy hampihatra ny Lal\u00e0n\u2019i Jehovah, ary hampianatra ny fitsipika sy ny didim-pitsarana ao amin\u2019izy io, tany Israely.",
"11": "Int\u1ef3 ny dika mitovy amin\u2019ilay taratasy nomen\u2019i Artaksersesy Mpanjaka an\u2019i Ezra, izay mpisorona sady mpanao dika soratra, ary mpandalina ny didin\u2019i Jehovah sy ny fitsipiny ho an\u2019ny Israely:",
"12": "* \u201cAvy amin\u2019i Artaksersesy, ilay mpanjakan\u2019ny mpanjaka, ho an\u2019i Ezra mpisorona, mpanao dika soratra ny Lal\u00e0n\u2019ilay Andriamanitry ny lanitra: Fiadanana anie ho anao!",
"13": "Nanome baiko aho hoe na iza na iza amin\u2019ny vahoakan\u2019Israely sy ny mpisorony ary ny Levita eto amin\u2019ny fanjakako, ka te hiaraka aminao ho any Jerosalema, dia mahazo mandeha.",
"14": "Fa irahin\u2019ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsainy fito ianao mba hanadihady any Joda sy Jerosalema, raha ampiharina tokoa ny Lal\u00e0n\u2019ny Andriamanitrao, izay nankinina taminao.",
"15": "Ento koa ny volafotsy sy ny volamena avy any amin\u2019ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsainy, nomen\u2019izy ireo an-tsitrapo ho an\u2019ilay Andriamanitry ny Israely, izay any Jerosalema.",
"16": "Ento koa ny volafotsy sy ny volamena rehetra azonao manerana ny faritanin\u2019i Babylona, sy ny fanomezana avy amin\u2019ny olona sy ny mpisorona, omen\u2019izy ireo an-tsitrapo ho an\u2019ny tranon\u2019ny Andriamaniny any Jerosalema.",
"17": "Ampiasao avy hatrany izany vola izany mba hividianana ombilahy sy ondrilahy sy zanak\u2019ondry, ary fanatitra varimbazaha sy fanatitra zava-pisotro ilaina miaraka amin\u2019ireo. Dia atolory eo amin\u2019ny alitaran\u2019ny tranon\u2019ny Andriamanitrareo any Jerosalema izany.",
"18": "\u201cAzonao sy ny rahalahinao ampiasaina amin\u2019izay hitanareo fa mety ny ambin\u2019ny volafotsy sy volamena, araka ny sitrapon\u2019ilay Andriamanitrareo.",
"19": "Ary atolory eo anatrehan\u2019Andriamanitra any Jerosalema daholo ny fitaovana nomena anao mba hampiasaina amin\u2019ny fanompoana ao an-tranon\u2019ny Andriamanitrao.",
"20": "Izay zavatra hafa mbola ilaina ao an-tranon\u2019ny Andriamanitrao ka tokony homenao, dia alaivo ao amin\u2019ny trano fitehirizana ny harenan\u2019ny mpanjaka.",
"21": "\u201cIzaho, Artaksersesy Mpanjaka, dia manome baiko anareo mpitahiry ny harenam-panjakana rehetra any amin\u2019ny faritra Ampitan\u2019ny Renirano, hoe tokony homenareo avy hatrany izay rehetra angatahin\u2019i Ezra mpisorona, ilay mpanao dika soratra ny Lal\u00e0n\u2019ilay Andriamanitry ny lanitra.",
"22": "Omeo azy izay angatahiny na dia hatramin\u2019ny volafotsy 100 talenta, varimbazaha 100 kora, divay 100 bata, ary menaka 100 bata aza. Omeo azy koa izay sira rehetra ilaina.",
"23": "Tanteraho daholo ny baikon\u2019ilay Andriamanitry ny lanitra ho an\u2019ny tranony. Tokony hafana fo ianareo rehefa manao an\u2019izany, amin\u2019izay ilay Andriamanitry ny lanitra tsy ho tezitra amin\u2019ny vahoaka ao amin\u2019ny fanjakan\u2019ny mpanjaka sy amin\u2019ny zanaky ny mpanjaka.",
"24": "Ilazana koa ianareo fa tsy azo atao ny mitaky hetra na haba na hetran-dalana amin\u2019ny mpisorona, ny Levita, ny mpitendry zavamaneno, ny mpiandry varavarana, ny mpanompo ao amin\u2019ny tempoly, ary ny mpiasa ao amin\u2019io tranon\u2019Andriamanitra\u00a0io.",
"25": "\u201cAry ianao, ry Ezra, ampiasao ny fahendrena nomen\u2019ilay Andriamanitrao anao, dia manendre mpahay lal\u00e0na sy mpitsara, mba hitsara ny olona rehetra any amin\u2019ny faritra Ampitan\u2019ny Renirano, dia izay rehetra mahalala ny lal\u00e0n\u2019ny Andriamanitrao. Tokony hampianarinao kosa izay tsy mahalala an\u2019izany.",
"26": "Fa na iza na iza tsy mety mankat\u00f2 ny Lal\u00e0n\u2019ny Andriamanitrao sy ny lal\u00e0n\u2019ny mpanjaka, dia tokony hampiharina aminy avy hatrany ny didim-pitsarana, ka hovonoina ho faty izy na horoahina, na hampandoavina sazy na hogadraina.\u201d",
"27": "Hoderaina anie i Jehovah Andriamanitry ny razambentsika, izay nanao an\u2019izany tao am-pon\u2019ny mpanjaka mba hahatsara tarehy ny tranon\u2019i Jehovah any Jerosalema!",
"28": "Sady tia ahy Izy no tsy nivadika tamiko, ka nataony nahazo sitraka tamin\u2019ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsainy ary ny andriana rehetra miaraka amin\u2019ny mpanjaka aho. Lasa be herim-po \u00e0ry aho, satria nanampy ahy ny tanan\u2019i Jehovah Andriamanitro. Ary novoriko ireo lehilahy mpitarika teo amin\u2019ny Israely mba hiara-miakatra amiko."
},
"8": {
"1": "Ireto avy ny lohan\u2019ireo fianakaviambe sy ireo voasoratra tao amin\u2019ny tetirazana, izay niaraka tamiko niala avy tany Babylona, tamin\u2019ny andro nanjakan\u2019i Artaksersesy Mpanjaka:",
"2": "I Gersoma, avy amin\u2019ny taranak\u2019i Finehasa; Daniela, avy amin\u2019ny taranak\u2019i Itamara; Hatosy, avy amin\u2019ny taranak\u2019i Davida;",
"3": "Zakaria, avy amin\u2019ny taranak\u2019i Sekania sy avy amin\u2019ny taranak\u2019i Parosy, ary nisy 150 lahy voasoratra anarana niaraka taminy;",
"4": "Eliho-enay zanak\u2019i Zerahia, avy amin\u2019ny taranak\u2019i Pahata-moaba, ary nisy 200 lahy niaraka taminy;",
"5": "Sekania zanak\u2019i Jahaziela, avy amin\u2019ny taranak\u2019i Zato, ary nisy 300 lahy niaraka taminy;",
"6": "Ebeda zanak\u2019i Jonatana, avy amin\u2019ny taranak\u2019i Adina, ary nisy 50 lahy niaraka taminy;",
"7": "Jesaia zanak\u2019i Atalia, avy amin\u2019ny taranak\u2019i Elama, ary nisy 70 lahy niaraka taminy;",
"8": "Zebadia zanak\u2019i Mikaela, avy amin\u2019ny taranak\u2019i Sefatia, ary nisy 80 lahy niaraka taminy;",
"9": "Obadia zanak\u2019i Jehiela, avy amin\u2019ny taranak\u2019i Joaba, ary nisy 218 lahy niaraka taminy;",
"10": "Selomita zanak\u2019i Josifia, avy amin\u2019ny taranak\u2019i Bany, ary nisy 160\u00a0lahy niaraka taminy;",
"11": "Zakaria zanak\u2019i Bebay, avy amin\u2019ny taranak\u2019i Bebay, ary nisy 28 lahy niaraka taminy;",
"12": "Johanana zanak\u2019i Hakatana, avy amin\u2019ny taranak\u2019i Azgada, ary nisy 110 lahy niaraka taminy;",
"13": "Elifeleta sy Jeiela ary Semaia no anaran\u2019ireo avy amin\u2019ny taranak\u2019i Adonikama, ka ireo no farany amin\u2019io taranaka io, ary nisy 60 lahy niaraka tamin\u2019izy ireo;",
"14": "Otahy sy Zaboda, avy amin\u2019ny taranak\u2019i Bigvay, ary nisy 70 lahy niaraka tamin\u2019izy ireo.",
"15": "Novoriko teo amin\u2019ilay renirano mankany Ahava izy ireo, dia nitoby telo andro teo izahay. Rehefa nandinika tsara ny vahoaka sy ny mpisorona anefa aho, dia tsy nahita Levita na iray aza.",
"16": "Dia nampanantsoiko i Eliezera, Ariela, Semaia, Elnatana, Jariba, Elnatana, Natana, Zakaria, ary Mesolama izay samy lehilahy mpitarika, ary Joariba sy Elnatana izay samy mpampianatra.",
"17": "Ary nomeko baiko izy ireo ho any amin\u2019i Ido, ilay mpitarika tao amin\u2019ilay toerana atao hoe Kasifia. Nasaiko niteny tamin\u2019i Ido sy ny rahalahiny, izay mpanompo tao amin\u2019ny tempoly nipetraka tao Kasifia, izy ireo, mba hitondra olona hanompo ao an-tranon\u2019ilay Andriamanitray.",
"18": "Nanampy anay ny tanan\u2019ilay Andriamanitray, ka nentin\u2019izy ireo tany aminay ilay lehilahy malina atao hoe Serebia, avy amin\u2019ny taranak\u2019i Maly zafikelin\u2019i Levy, zanak\u2019i Israely. Nentin\u2019izy ireo koa ny zanak\u2019i Serebia sy ny rahalahiny, 18 lahy;",
"19": "ary Hasabia sy Jesaia avy amin\u2019ny Merarita, niaraka tamin\u2019ireo rahalahiny sy ny zanak\u2019izy ireo, 20 lahy.",
"20": "Ary nisy 220 ny mpanompo tao amin\u2019ny tempoly, izay samy voasoratra anarana. I Davida sy ny andriana no efa nanome mpanompo tao amin\u2019ny tempoly mba hanampy ny Levita.",
"21": "Dia nasaiko nifady hanina teo amin\u2019ny reniranon\u2019i Ahava ny olona. Tianay mantsy ny hanetry tena teo anatrehan\u2019Andriamanitray, sy hangataka azy hitarika ny dianay, dia izahay sy ny zanakay miaraka amin\u2019ny fanananay rehetra.",
"22": "Fa nahamenatra ahy ny hangataka miaramila sy mpitaingin-tsoavaly tamin\u2019ny mpanjaka, mba hiaro anay tamin\u2019ny fahavalo teny an-dalana. Efa nilaza tamin\u2019ny mpanjaka mantsy izahay hoe: \u201cNy tanan\u2019ilay Andriamanitray manampy an\u2019izay rehetra mitady azy, fa ny heriny sy ny hatezerany kosa ampihariny amin\u2019izay rehetra mahafoy azy.\u201d",
"23": "Dia nifady hanina sy nangataka momba an\u2019izany tamin\u2019Andriamanitray izahay, ka nohenoiny ny fitalahoanay.",
"24": "Natokako ny 12 lahy tamin\u2019ny lehiben\u2019ny mpisorona, dia i Serebia sy Hasabia ary ny folo tamin\u2019ny rahalahin\u2019izy ireo.",
"25": "Nolanjaiko dia nomeko azy ireo ny volafotsy sy ny volamena ary ny fitaovana, izany hoe ny fanomezana nomen\u2019ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsainy sy ny andrianany ary ny Israelita rehetra teo ho an\u2019ny tranon\u2019ny Andriamanitray.",
"26": "Ireto no nomeko azy ireo, rehefa avy nolanjaiko: Volafotsy 650 talenta, fitaovana volafotsy 100 izay nitentina 2 talenta, volamena 100 talenta,",
"27": "vilia baolina kely volamena 20 izay nitentina 1\u00a0000 dar\u00ecka, ary fitaovana 2 vita amin\u2019ny varahina tena tsara, izay mena mamirapiratra sady sarobidy hoatran\u2019ny volamena.",
"28": "Dia hoy aho tamin\u2019izy ireo: \u201cMasina amin\u2019i Jehovah ianareo, ary masina ireo fitaovana ireo. Fanatitra an-tsitrapo ho an\u2019i Jehovah Andriamanitry ny razambenareo koa ireo volafotsy sy volamena ireo.",
"29": "Arovy tsara ireo mandra-pandanjanareo azy ao amin\u2019 ny efitra ao an-tranon\u2019i Jehovah, eo imason\u2019ny lehiben\u2019ny mpisorona sy ny Levita ary ny andrianan\u2019ny fianakaviamben\u2019ny Israely any Jerosalema.\u201d",
"30": "Dia nalain\u2019ny mpisorona sy ny Levita ireo volafotsy sy volamena ary fitaovana voalanja ireo, mba hoentina any Jerosalema any an-tranon\u2019ny Andriamanitray.",
"31": "Ary niala teo amin\u2019ny reniranon\u2019i Ahava izahay tamin\u2019ny andro faha-12 amin\u2019ny volana voalohany, mba hankany Jerosalema. Nanampy anay ny tanan\u2019Andriamanitray, ka namonjy anay tamin\u2019ny fahavalo sy tamin\u2019izay niafina mba hanafika anay teny an-dalana.",
"32": "Dia tonga tany Jerosalema izahay ary nijanona telo andro tao.",
"33": "Ary tamin\u2019ny andro fahefatra, dia nolanjainay tao an-tranon\u2019Andriamanitray ny volafotsy sy ny volamena ary ny fitaovana, ka natolotray an\u2019i Meremota mpisorona zanak\u2019i Oria, sy Eleazara zanak\u2019i Finehasa, ary ny Levita niaraka tamin\u2019izy ireo, dia i Jozabada zanak\u2019i Jesoa sy Noadia zanak\u2019i Binoy.",
"34": "Nisaina sy nolanjaina ny zava-drehetra, ary nosoratana daholo ny lanjany.",
"35": "Ary nanolotra an\u2019ireto sorona dorana ireto ho an\u2019ny Andriamanitry ny Israely ny olona babo taloha sy natao sesitany: Ombilahy 12 ho an\u2019ny Israely rehetra, ondrilahy 96, ondrilahy kely 77, ary osilahy 12 ho fanatitra noho ny ota. Fanatitra dorana ho an\u2019i Jehovah daholo ireo.",
"36": "Dia nomenay an\u2019ireo lehibem-paritany notendren\u2019ny mpanjaka, sy ny governora at\u1ef3 amin\u2019ny faritra Ampitan\u2019ny Renirano ny didin\u2019ny mpanjaka, ka nanampy ny vahoaka izy ireo sady nanome an\u2019izay nilaina ho an\u2019ny tranon\u2019ilay tena Andriamanitra."
},
"9": {
"1": "Raha vao vita izany, dia nanatona ahy ireo andriana ka niteny hoe: \u201cTsy misaraka amin\u2019ny mponina manodidina ange ny vahoakan\u2019Israely sy ny mpisorona ary ny Levita\u00a0e! Ry zareo koa tsy mety miala amin\u2019ny fanaony maharikoriko, dia ny fanaon\u2019ny Kananita, ny Hetita, ny Perizita, ny Jebosita, ny Amonita, ny Moabita, ny Ejipsianina, ary ny Amorita.",
"2": "Fa nalain\u2019izy ireo ho vadiny sy ho vadin\u2019ny zanany lahy ny sasany tamin\u2019ny zanakavavin\u2019ireny. Dia lasa nifangaroharo tamin\u2019ny mponina manodidina ry zareo nefa taranaka masina. Ary ny andriana sy ny solontenam-panjakana no voalohany nivadika hoatr\u2019izany.\u201d",
"3": "Raha vao henoko izany, dia norovitiko ny akanjoko anatiny sy ivelany, ary nongotako ny volon-dohako sy ny volombavako, ka tafapetraka teo aho fa kivy tanteraka.",
"4": "Ary nitangorona teo amiko daholo izay nanaja ny tenin\u2019ny Andriamanitry ny Israely, satria nalahelo izy ireo fa nivadika ny olona avy natao sesitany. Mbola tafapetraka teo aho fa kivy tanteraka, mandra-pahatongan\u2019ny fotoanan\u2019ny fanatitra varimbazaha amin\u2019ny takariva.",
"5": "Ary nipetraka ela be teo aho fa nalahelo be. Dia nitsangana aho tamin\u2019ny fotoanan\u2019ny fanatitra varimbazaha amin\u2019ny takariva, ary mbola teny amiko ny akanjoko anatiny sy ivelany norovitiko. Dia nandohalika aho ka namelatra ny tanako ho amin\u2019i Jehovah Andriamanitro.",
"6": "Ary hoy aho: \u201cAndriamanitro\u00a0\u00f4! Menatra sy sadaikatra aho ny hiandrandra any aminao, ry Andriamanitro\u00a0\u00f4! Fa lasa be dia be ny fahadisoanay ka mihoatra ny lohanay, ary efa manakatra ny lanitra ny helokay.",
"7": "Tena lehibe ny helokay, hatramin\u2019ny andron\u2019ny razambenay ka hatramin\u2019izao. Ary noho ny fahadisoanay, dia navela ho resin\u2019ny mpanjakan\u2019ny tany hafa izahay sy ny mpanjakanay ary ny mpisoronay. Dia novonoina tamin\u2019ny sabatra izahay, nentina ho babo, norobaina, ary nalam-baraka, hoatran\u2019izao androany izao.",
"8": "Izao anefa mba mankasitraka anay vetivety ianao, ry Jehovah Andriamanitray, ka navelanao ho afa-mandositra ny sasany aminay, sady nataonao tsy manana ahiahy ao amin\u2019ny toeranao masina izahay. Amin\u2019izay dia ho falifaly izahay, ry Andriamanitray\u00a0\u00f4, ary ho velombelona kely izahay na dia andevozina aza.",
"9": "Tsy nafoinao izahay na dia mpanompo sady andevozina aza, ry Andriamanitray\u00a0\u00f4! Tia anay sady tsy mivadika aminay kosa ianao, ka nataonao nahazo sitraka tamin\u2019ny mpanjakan\u2019i Persa izahay. Tianao ho velombelona mantsy izahay ka hanorina indray an\u2019ilay tranon\u2019ny Andriamanitray efa rava, ary tianao homena manda vato eto Joda sy Jerosalema.",
"10": "\u201cInona intsony \u00e0ry izao no holazainay, ry Andriamanitray\u00a0\u00f4? Fa tsy narahinay ny didinao,",
"11": "izay nomenao anay tamin\u2019ny alalan\u2019ny mpaminany mpanomponao, hoe: \u2018Ny tany hidiranareo izay ho lasanareo dia tany voaloto, satria maloto ny mponina ao sady maharikoriko ny fanaony. Nofenoiny fanao maloto ilay tany manontolo.",
"12": "Aza omena ho vadin\u2019ny zanany lahy \u00e0ry ny zanakareo vavy, ary aza ekena ho vadin\u2019ny zanakareo lahy ny zanany vavy. Aza mitady izay hahasoa azy mihitsy na manao izay hiadanany. Amin\u2019izay ianareo dia hihamahery sy hihinana izay tsara eo amin\u2019ilay tany. Dia ho lasanareo ilay tany ka ho lovan\u2019ny zanakareo mandrakizay.\u2019",
"13": "Efa izao no manjo anay noho izahay nanao ratsy sy tena meloka, nefa ianao aza tsy namaly anay araka ny fahadisoanay, ry Andriamanitray\u00a0\u00f4, fa mbola navelanao handositra izahay ireto.",
"14": "Dia mbola handika ny didinao indray ve izahay ka hifanambady amin\u2019olona manao an\u2019ireo zavatra maharikoriko ireo? Tsy ho tezitra be aminay ve ianao ka handringana anay tanteraka, dia tsy hisy hiangana na ho tafavoaka velona intsony izahay?",
"15": "Ry Jehovah Andriamanitry ny Israely\u00a0\u00f4, manao ny rariny ianao, satria mbola misy miangana izahay ka mbola velona hatramin\u2019izao. Koa indreto izahay meloka eto anatrehanao, na dia tsy tokony hijoro eto anatrehanao aza izahay noho izay nataonay.\u201d"
},
"10": {
"1": "Raha mbola nivavaka sy nibaboka teo i Ezra,\u00a0ka mbola nitomany sy nihohoka teo anoloan\u2019ny tranon\u2019ilay tena Andriamanitra, dia nisy Israelita be dia be nitangorona teo aminy, dia lehilahy sy vehivavy ary ankizy. Nitomany be koa mantsy ny olona.",
"2": "Dia niteny tamin\u2019i Ezra i Sekania zanak\u2019i Jehiela, avy amin\u2019ny taranak\u2019i Elama, hoe: \u201cNivadika tamin\u2019Andriamanitsika izahay, satria nanambady vehivavy hafa firenena avy tamin\u2019ny mponina manodidina. Mbola misy fanantenana ihany anefa ho an\u2019ny Israely.",
"3": "Andao \u00e0ry isika hanao fifanekena amin\u2019Andriamanitsika hoe horoahina ireo vehivavy rehetra ireo sy izay naterany, araka ny toromarika nomen\u2019i Jehovah sy ireo manaja ny didin\u2019Andriamanitsika. Andao hatao mifanaraka amin\u2019ny Lal\u00e0na ny zavatra ataontsika.",
"4": "Mitsang\u00e0na fa adidinao izao raharaha izao, ary manohana anao izahay. Mahereza dia manaova zavatra.\u201d",
"5": "Dia nitsangana i Ezra, ka nasainy nianiana ny lehiben\u2019ny mpisorona sy ny Levita ary ny Israely rehetra hoe hanatanteraka an\u2019izany. Dia nianiana izy ireo.",
"6": "Ary niala teo anoloan\u2019ny tranon\u2019ilay tena Andriamanitra i Ezra, ka nankao amin\u2019ny efitr\u2019i Johanana zanak\u2019i Eliasiba. Tsy nihinan-kanina na nisotro rano anefa izy, na dia nankao aza, satria nalahelo fa nivadika ny olona avy natao sesitany.",
"7": "Dia nampilaza nanerana an\u2019i Joda sy Jerosalema izy ireo hoe tokony hivory any Jerosalema izay rehetra avy natao sesitany.",
"8": "Nanapa-kevitra koa ny andriana sy ny anti-panahy hoe izay tsy tonga ao anatin\u2019ny telo andro, dia horoahina tsy ho anisan\u2019ny fiangonan\u2019ny olona avy natao sesitany, ary halaina daholo ny fananany.",
"9": "Dia tafavory tao Jerosalema ny lehilahy rehetra anisan\u2019ny fokon\u2019i Joda sy Benjamina tao anatin\u2019ny telo andro, tamin\u2019ny andro faha-20 amin\u2019ny volana fahasivy. Nipetraka teo an-tokotanin\u2019ny tranon\u2019ilay tena Andriamanitra ny olona rehetra, ary nangovitra izy ireo satria raharaha lehibe no hodinihina sady avy be koa ny orana.",
"10": "Dia nitsangana i Ezra mpisorona ka niteny hoe: \u201cNivadika tamin\u2019Andriamanitra ianareo satria nanambady vehivavy hafa firenena, ka vao mainka meloka ny Israely.",
"11": "Samia ianareo mibaboka amin\u2019i Jehovah Andriamanitry ny razambenareo, ka ataovy ny sitrapony. Dia misaraha amin\u2019ny mponina manodidina sy amin\u2019ireo vehivavy hafa firenena vadinareo ireo.\u201d",
"12": "Dia niara-niredona ny fiangonana manontolo hoe: \u201cAdidinay ny manatanteraka an-tsakany sy an-davany an\u2019izay lazainao.",
"13": "Be dia be anefa ny olona eto sady fotoanan\u2019ny orana izao, ka tsy ho vita ny hijoro et\u1ef3 ivelany. Tsy ho voalamina iray na roa andro koa ity raharaha ity, satria tena nikomy mihitsy izahay tamin\u2019iny nataonay iny.",
"14": "Koa raha mety re dia aleo ny andriananay no hisolo tena ny fiangonana manontolo\u00a0e! Ary aleo izay rehetra manambady vehivavy hafa firenena ao amin\u2019ny tan\u00e0nanay no ho tonga amin\u2019ny fotoana voatondro, miaraka amin\u2019ny anti-panahy sy ny mpitsaran\u2019ny tan\u00e0na tsirairay. Amin\u2019izay dia hilamina ity raharaha ity, ka tsy ho tezitra be amintsika intsony ilay Andriamanitsika.\u201d",
"15": "Tsy nanaiky an\u2019izany anefa i Jonatana zanak\u2019i Asahela sy Jahaza zanak\u2019i Tikva, ary nanampy azy ireo koa i Mesolama sy Sabetahy izay samy Levita.",
"16": "Ny olona avy natao sesitany kosa nanatanteraka an\u2019izay efa nifanarahana. Tamin\u2019ny andro voalohan\u2019ny volana fahafolo \u00e0ry, dia nivory nitokana i Ezra mpisorona sy ny lohan\u2019ireo fianakaviambe, dia izay rehetra voatonona anarana, mba handinika an\u2019ilay raharaha.",
"17": "Voalamin\u2019izy ireo tamin\u2019ny andro voalohan\u2019ny volana voalohany ny momba ny lehilahy rehetra nanambady vehivavy hafa firenena.",
"18": "Dia fantatra hoe nisy nanambady vehivavy hafa firenena koa ny taranaky ny mpisorona, ka ny avy tamin\u2019ny taranak\u2019i Jesoa zanak\u2019i Jozadaka sy ny rahalahiny dia i Mahaseia sy Eliezera sy Jariba ary Gedalia.",
"19": "Nampanantena handroaka ny vadiny anefa izy ireo. Meloka izy ireo ka nampanantena hanome ondrilahy avy amin\u2019ny andian\u2019ondry, ho fanatitra noho ny heloka.",
"20": "Ny avy tamin\u2019ny taranak\u2019i Imera dia i Hanany sy Zebadia.",
"21": "Ny avy tamin\u2019ny taranak\u2019i Harima dia i Mahaseia, Elia, Semaia, Jehiela, ary Ozia.",
"22": "Ny avy tamin\u2019ny taranak\u2019i Pasora dia i Elioenay, Mahaseia, Ismaela, Netanela, Jozabada, ary Elasa.",
"23": "Ny avy tamin\u2019ny Levita dia i Jozabada, Simey, Kelaia na Kelita, Petahia, Joda, ary Eliezera.",
"24": "Ary ny avy tamin\u2019ireo mpihira dia i Eliasiba, ary ny avy tamin\u2019ireo mpiandry vavahady dia i Saloma sy Talema ary Ory.",
"25": "Ny avy tamin\u2019ny Israely, avy tamin\u2019ny taranak\u2019i Parosy, dia i Ramia, Jizia, Malkia, Miamina, Eleazara, Malkia, ary Benaia.",
"26": "Ny avy tamin\u2019ny taranak\u2019i Elama dia i Matania, Zakaria, Jehiela, Abdia, Jeremota, ary Elia.",
"27": "Ny avy tamin\u2019ny taranak\u2019i Zato dia i Elioenay, Eliasiba, Matania, Jeremota, Zabada, ary Aziza.",
"28": "Ny avy tamin\u2019ny taranak\u2019i Bebay dia i Johanana, Hanania, Zabay, ary Atlay.",
"29": "Ny avy tamin\u2019ny taranak\u2019i Bany dia i Mesolama, Maloka, Adaia, Jasoba, Seala, ary Jeremota.",
"30": "Ny avy tamin\u2019ny taranak\u2019i Pahata-moaba dia i Adna, Kelala, Benaia, Mahaseia, Matania, Bezalila, Binoy, ary Manase.",
"31": "Ny avy tamin\u2019ny taranak\u2019i Harima dia i Eliezera, Jisia, Malkia, Semaia, Simeona,",
"32": "Benjamina, Maloka, ary Semaria.",
"33": "Ny avy tamin\u2019ny taranak\u2019i Hasoma dia i Matenay, Matata, Zabada, Elifeleta, Jeremay, Manase, ary Simey.",
"34": "Ny avy tamin\u2019ny taranak\u2019i Bany dia i Maday, Amrama, Oela,",
"35": "Benaia, Bedeia, Keloho,",
"36": "Vania, Meremota, Eliasiba,",
"37": "Matania, Matenay, ary Jasao.",
"38": "Ny avy tamin\u2019ny taranak\u2019i Binoy dia i Simey,",
"39": "Selemia, Natana, Adaia,",
"40": "Maknadebay, Sasay, Saray,",
"41": "Azarela, Selemia, Semaria,",
"42": "Saloma, Amaria, ary Josefa.",
"43": "Ary ny avy tamin\u2019ny taranak\u2019i Nebo dia i Jeiela, Matitia, Zabada, Zebina, Jadao, Joela, ary Benaia.",
"44": "Nanambady vehivavy hafa firenena daholo ireo, ka nandroaka an\u2019ireny vadiny ireny sy ny zanany."
},
"meta": {
"name": "Ezra",
"order": 14,
"chapter_number": 10
}
}