UNPKG

mg-bibles

Version:

A package for accessing Bible verses in Malagasy (MG), Diem, King James (KJV), and Louis Segond (APEE) versions

1,377 lines 277 kB
{
    "1": {
        "1": "Tamin\u2019ny andro fahadimin\u2019ny volana fahefatra, tamin\u2019ny taona faha-30, dia nisokatra ny lanitra ka nahita fahitana avy tamin\u2019Andriamanitra aho. Niaraka tamin\u2019ireo olona natao sesitany, teo amoron\u2019ny reniranon\u2019i Kebara, aho tamin\u2019izay.",
        "2": "Tamin\u2019ny andro fahadimin\u2019ny volana, izany hoe tamin\u2019ny taona fahadimy nanaovana sesitany an\u2019i Joiakina Mpanjaka,",
        "3": "dia nampita ny teniny tamin\u2019i Ezekiela zanak\u2019i Bozy mpisorona i Jehovah, teo amoron\u2019ny reniranon\u2019i Kebara, tany amin\u2019ny tanin\u2019ny Kaldeanina. Teo no niasa taminy ny herin\u2019i Jehovah.",
        "4": "Tamin\u2019izaho mbola nijery iny, dia nahita rivo-mahery avy any avaratra, sy rahona matevina, ary afo mitselatselatra\u00a0be voahodidin\u2019ny hazavana mamirapiratra. Ary nisy zavatra namirapiratra hoatran\u2019ny metaly manjelatra, avy teo afovoan\u2019ilay afo.",
        "5": "Nisy hoatran\u2019ny zavamananaina efatra tao anatin\u2019ilay izy, ka samy hoatran\u2019ny bikabikan\u2019olombelona no fahitana azy.",
        "6": "Samy nanana tarehy\u00a0efatra sy elatra efatra izy ireo.",
        "7": "Mahitsy ny tongotr\u2019izy ireo, ary mitovy amin\u2019ny kitron\u2019ny zanak\u2019omby ny faladiany. Namirapiratra toy ny varahina nokosehina hangirana koa ny tongony.",
        "8": "Samy nanana tanan\u2019olona izy ireo teo ambanin\u2019ny elany, teo amin\u2019ny lafiny efatra. Ary samy nanana tarehy sy elatra izy efatra.",
        "9": "Nifampikasika ny elatr\u2019izy ireo. Tsy nitodika mihitsy izy ireo rehefa nandeha, fa samy nandeha mahitsy.",
        "10": "Hoatr\u2019izao ny tarehin\u2019izy efatra: Tarehin\u2019olona no teo anoloana, tarehin-diona no teo ankavanana, tarehin\u2019omby no teo ankavia, ary tarehim-boromahery no tao aoriana.",
        "11": "Hoatr\u2019izany no fahitana ny tarehiny. Nivelatra niakatra teo amboniny ny elany. Samy nanana elatra roa nifampikasika sy elatra roa hafa nanarona ny vatany izy ireo.",
        "12": "Samy nandeha mahitsy izy ireo, ka nandeha tany amin\u2019izay tian\u2019ny fanahy halehany. Tsy nitodika mihitsy izy ireo rehefa nandeha.",
        "13": "Mitovy amin\u2019ny vainafo mirehitra no fahitana an\u2019ireo zavamananaina ireo. Nisy hoatran\u2019ny fanilo mirehitra afo mazava\u00a0be, nivezivezy teo anelanelan\u2019izy ireo, ary nisy tselatra nanjelanjelatra avy tao amin\u2019ilay afo.",
        "14": "Hoatran\u2019ny tselatra ny fandehan\u2019ireo zavamananaina, rehefa nandeha nandroso sy niverina izy ireo.",
        "15": "Tamin\u2019izaho mbola nijery an\u2019ireo zavamananaina ireo, dia nahita kodiarana iray teo amin\u2019ny tany aho, teo akaikin\u2019ny zavamananaina tsirairay manana tarehy efatra.",
        "16": "Namirapiratra toy ny krizolita no fahitana an\u2019ireo kodiarana ireo, ary nitovy daholo izy efatra. Hoatran\u2019ny kodiarana ao anaty kodiarana no fahitana an\u2019ireo sy ny bikabikany.",
        "17": "Rehefa nandeha ireo, dia afaka nandroso na nihemotra na niankavia na niankavanana, nefa tsy nila nivily teny am-pandehanana.",
        "18": "Avo\u00a0be ireo kodiarana ka tena nahavariana sady nampahatahotra. Ary feno maso ny ivelany amin\u2019ireo kodiarana efatra.",
        "19": "Rehefa nandeha ireo zavamananaina, dia nandeha koa ny kodiarana. Ary rehefa niakatra niala tamin\u2019ny tany ireo zavamananaina ireo, dia niakatra koa ny kodiarana.",
        "20": "Tany amin\u2019izay nitarihan\u2019ny fanahy azy no nandehanan\u2019izy ireo, tany amin\u2019izay nandehanan\u2019ny fanahy. Dia niara-niakatra tamin\u2019izy ireo ny kodiarana, satria ilay fanahy izay niasa tao amin\u2019ireo zavamananaina ihany no tao amin\u2019ireo kodiarana ireo.",
        "21": "Rehefa nandeha izy ireo, dia nandeha koa ny kodiarana. Rehefa nijanona izy ireo, dia nijanona koa ny kodiarana. Ary rehefa niakatra niala tamin\u2019ny tany izy ireo, dia niara-niakatra tamin\u2019izy ireo koa ny kodiarana, satria ilay fanahy izay niasa tao amin\u2019ireo zavamananaina ihany no tao amin\u2019ireo kodiarana ireo.",
        "22": "Nisy hoatran\u2019ny zavatra fisaka nivelatra\u00a0be teny ambony lohan\u2019ireo zavamananaina ireo. Nanjelanjelatra toy ny ranomandry ilay izy, sady nampitolagaga.",
        "23": "Nitsangana sy nifampikasika ny elatr\u2019izy ireo, teo ambanin\u2019io zavatra fisaka io. Samy nanana elatra roa nanarona ny ilan\u2019ny vatany izy ireo, ary elatra roa hafa nanarona ny ilany iray.",
        "24": "Hoatran\u2019ny feon\u2019ny rano\u00a0be misasasasa ny fahenoako ny feon\u2019ny elany, hoatran\u2019ny feon\u2019Ilay Mahery Indrindra. Rehefa nandeha izy ireo, dia toy ny feon\u2019ny tafika ny fahenoana azy. Rehefa nijanona izy ireo, dia nampidininy ny elany.",
        "25": "Nisy feo heno tao ambonin\u2019ilay zavatra fisaka teny ambony lohan\u2019izy ireo. Rehefa nijanona izy ireo, dia nampidininy ny elany.",
        "26": "Teo ambonin\u2019ilay zavatra fisaka teny ambony lohan\u2019izy ireo, dia nisy zavatra toy ny vato safira, ary hoatran\u2019ny seza fiandrianana ilay izy. Nisy nipetraka teo amin\u2019ilay seza fiandrianana ter\u1ef3 ambony, ary hoatran\u2019ny olona no fahitana azy.",
        "27": "Dia nahita zavatra namirapiratra hoatran\u2019ny metaly manjelatra sy hoatran\u2019ny afo aho, avy\u00a0eo amin\u2019ilay hoatran\u2019ny andilany no ho miakatra. Avy eo amin\u2019ny andilany no ho midina indray, dia zavatra mitovy amin\u2019ny afo no tazako. Ary nisy hazavana\u00a0be nanodidina azy,",
        "28": "hoatran\u2019ny hazavan\u2019ny avana eny amin\u2019ny rahona rehefa avy ny orana. Sahala amin\u2019izany no fahitana an\u2019ilay hazavana namirapiratra nanodidina azy. Hoatran\u2019ny voninahitr\u2019i Jehovah no fahitana an\u2019ilay izy. Rehefa nahita an\u2019izany aho, dia niankohoka, ary nanomboka naheno feon\u2019olona niteny."
    },
    "2": {
        "1": "Dia hoy izy tamiko: \u201cRy\u00a0zanak\u2019olona, mitsang\u00e0na fa hiteny aminao aho.\u201d",
        "2": "Rehefa niteny tamiko izy, dia niasa tamiko ny fanahy ka nampitsangana ahy. Dia naheno an\u2019Ilay niteny tamiko aho.",
        "3": "Hoy koa izy tamiko: \u201cRy\u00a0zanak\u2019olona, irahiko ho any amin\u2019ny vahoakan\u2019Israely ianao, dia any amin\u2019ireo firenena mpikomy izay nikomy tamiko. Fa nandika ny lal\u00e0ko izy ireo hatramin\u2019izao, hoatran\u2019ny nataon\u2019ny razambeny ihany.",
        "4": "Irahiko ho any amin\u2019ny taranaka mpaniratsira sy mafy\u00a0loha ianao. Dia teneno izy ireo hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony.\u2019",
        "5": "Koa na hihaino izy ireo na tsy hihaino satria taranaka mpikomy, dia tena ho fantany fa nisy mpaminany teo aminy.",
        "6": "\u201cFa ianao, ry zanak\u2019olona, aza matahotra azy! Aza atahorana ny teniny, na dia feno tsilo aza manodidina anao, ary na dia miara-mipetraka amin\u2019ny maingoka aza ianao. Aza atahorana ny teniny, ary aza mihorohoro noho ny endriny, satria taranaka mpikomy izy ireo.",
        "7": "Lazao aminy ny teniko na hihaino izy na tsia, fa vahoaka mpikomy izy.",
        "8": "\u201cFa ianao, ry zanak\u2019olona, henoy izay lazaiko aminao. Aza mikomy hoatran\u2019io taranaka mpikomy io. Sokafy ny vavanao dia hano izay omeko anao.\u201d",
        "9": "Rehefa nijery aho, dia iny nisy tanana nitsotra nankeo amiko sady nitazona horonam-boky nisy soratra.",
        "10": "Dia novelariny teo anatrehako ilay horonam-boky, ary nisy soratra ambadika sy ambadika ilay izy. Hira fisaonana sy teny mahatonga ny olona halahelo sy hidradradradra no voasoratra tao."
    },
    "3": {
        "1": "Dia hoy izy tamiko: \u201cRy\u00a0zanak\u2019olona, hano io zavatra hitanao io. Hano io horonam-boky io, dia mandehana miresaka amin\u2019ny taranak\u2019Israely.\u201d",
        "2": "Dia nosokafako ny vavako, ary nasainy nohaniko ilay horonam-boky.",
        "3": "Hoy koa izy tamiko: \u201cRy\u00a0zanak\u2019olona, hano ity horonam-boky omeko anao ity, ka fenoy an\u2019ity ny kibonao.\u201d Dia nihinana aho, ary mamy hoatran\u2019ny tantely ilay izy tao am-bavako.",
        "4": "Hoy ihany izy tamiko: \u201cRy\u00a0zanak\u2019olona, mandehana mankany amin\u2019ny taranak\u2019Israely, ka lazao aminy ny teniko.",
        "5": "Fa tsy any amin\u2019ny firenena mampiasa fiteny sarotra azo na mampiasa fiteny tsy fantatrao no anirahana anao, fa any amin\u2019ny taranak\u2019Israely.",
        "6": "Ary tsy irahina any amin\u2019ny firenena be dia be mampiasa fiteny sarotra azo ianao, na any amin\u2019izay mampiasa fiteny tsy fantatrao, sady tsy azonao ny teniny. Raha tany amin\u2019ireny mantsy ianao no nirahiko, dia ho nihaino anao ireny.",
        "7": "Fa ny taranak\u2019Israely kosa tsy hihaino anao, satria tsy te hihaino ahy izy ireo. Mafy hatoka sy mafy\u00a0loha daholo ny taranak\u2019Israely.",
        "8": "Dia ataoko mafy hoatran\u2019ny tarehin\u2019izy ireo ny tarehinao, ary ataoko mafy hoatran\u2019ny handriny ny handrinao.",
        "9": "Ataoko mafy hoatran\u2019ny diamondra ny handrinao, izany hoe mbola mafy noho ny vatoafo. Aza matahotra azy na mihorohoro amin\u2019ny endriny, fa taranaka mpikomy izy.\u201d",
        "10": "Hoy koa izy tamiko: \u201cRy\u00a0zanak\u2019olona, henoy ny teny rehetra holazaiko aminao dia alatsaho ao am-ponao.",
        "11": "Mandehana mankany amin\u2019ireo olona natao sesitany, dia miresaha aminy. Na hihaino izy ireo na tsia, dia teneno hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony.\u2019\u201d",
        "12": "Dia nentin\u2019ny fanahy aho, ka naheno feo mikotrokotroka mafy\u00a0be tao aorianako, hoe: \u201cHoderaina anie ny voninahitr\u2019i Jehovah, any amin\u2019ny toerana misy Azy!\u201d",
        "13": "Ary henoko ny feon\u2019ny elatr\u2019ireo zavamananaina rehefa nifampikasika. Henoko koa ny feon\u2019ny kodiarana teo akaikiny, sy ilay feo miraondraona mafy\u00a0be.",
        "14": "Dia nentin\u2019ny fanahy aho, dia nandeha sady sosotra sy tezitra\u00a0be aho tao anatiko tao. Ary tsapako fa niasa\u00a0be tamiko ny herin\u2019i Jehovah.",
        "15": "Nankany Tela-abiba \u00e0ry aho, tany amin\u2019ireo olona natao sesitany nipetraka teo amoron\u2019ny reniranon\u2019i Kebara. Dia nijanona tany amin\u2019izay nipetrahan\u2019izy ireo aho. Niaraka tamin\u2019izy ireo tany fito andro aho, ary mbola tsy tonga saina tsara.",
        "16": "Dia niteny tamiko i Jehovah rehefa tapitra ilay fito andro, hoe:",
        "17": "\u201cRy zanak\u2019olona, notendreko ho mpitily ho an\u2019ny taranak\u2019Israely ianao. Dia tsy maintsy mampitandrina azy ireo ianao rehefa maheno an\u2019izay lazaiko.",
        "18": "Raha miteny amin\u2019ny ratsy fanahy aho hoe: \u2018Tena ho faty ianao\u2019, nefa tsy mampitandrina azy ianao sady tsy mampirisika azy hiala amin\u2019ny ratsy fanaony mba hahavelona azy, dia ho faty noho ny fahadisoany izy satria ratsy fanahy. Fa ianao kosa hataoko tompon\u2019andraikitra amin\u2019ny rany.",
        "19": "Raha mampitandrina ny ratsy fanahy anefa ianao, fa izy no tsy miala amin\u2019ny faharatsiany sy ny ratsy fanaony, dia ho faty noho ny fahadisoany izy, fa ny ainao indray azo antoka hoe ho voavonjinao.",
        "20": "Raha tsy manao ny tsara intsony anefa ny olo-marina fa lasa manao ratsy, dia hasiako vato mahatafintohina eo alohany, ka ho faty izy. Raha tsy nampitandrina azy ianao, dia ho faty izy satria nanota, ary tsy hotsaroana ny zavatra tsara nataony. Fa ianao indray hataoko tompon\u2019andraikitra amin\u2019ny rany.",
        "21": "Raha mampitandrina ny olo-marina anefa ianao hoe aza manota, ka tsy manota tokoa izy, dia azo antoka hoe ho velona izy satria efa nampitandremanao, ary ho voavonjinao koa ny ainao.\u201d",
        "22": "Niasa tamiko ny herin\u2019i Jehovah tamin\u2019izaho tany, ka hoy izy tamiko: \u201cMitsang\u00e0na dia mandehana eny amin\u2019ny tany lemaka, fa eny aho no hiteny aminao.\u201d",
        "23": "Dia nitsangana aho ka nankeny amin\u2019ny tany lemaka, ary io fa teo ny voninahitr\u2019i Jehovah, hoatran\u2019ilay voninahitra hitako tany amoron\u2019ny reniranon\u2019i Kebara. Niankohoka \u00e0ry aho.",
        "24": "Niasa tamiko avy eo ny fanahy, ka nampitsangana ahy. Dia niteny tamiko Andriamanitra hoe: \u201cMandehana mihidy ao an-tranonao.",
        "25": "Fa hogejain\u2019ny olona amin\u2019ny tady ianao, ry\u00a0zanak\u2019olona, ka hofatorany mba tsy ho afaka hivoaka ho any aminy.",
        "26": "Hataoko miraikitra amin\u2019ny lanilaninao ny lelanao, ka ho lasa moana ianao. Dia tsy ho afaka hananatra azy ireo ianao, satria taranaka mpikomy izy.",
        "27": "Hosokafako anefa ny vavanao rehefa miteny aminao aho, ka izao no holazainao amin\u2019izy ireo: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony.\u2019 Aleo hihaino izay hihaino fa tsy hihaino kosa izay tsy mety mihaino, satria taranaka mpikomy ireo."
    },
    "4": {
        "1": "\u201cAry ianao, ry zanak\u2019olona, mak\u00e0 biriky dia apetraho eo anoloanao ilay izy. Asio sarin\u2019ny tan\u00e0nan\u2019i Jerosalema eo an-tampony.",
        "2": "Dia ataovy fahirano izy io, ka manang\u00e0na manda sy dongon-tany manodidina azy mba hanaovana fahirano azy. Manorena koa toby hanafihana azy, ary asio lohondry\u00a0vy manodidina azy.",
        "3": "Mak\u00e0 lasitra\u00a0vy fanaova-mofo, ka atsangano toy ny manda\u00a0vy eo anelanelanao sy ilay tan\u00e0na ilay izy. Dia ataovy manatrika an\u2019ilay tan\u00e0na ny tarehinao. Fa hatao fahirano izy io, ka ianao no hanao fahirano azy. Ho famantarana ho an\u2019ny taranak\u2019Israely izany.",
        "4": "\u201cDia matoria mihorirana miankavia, fa eo amin\u2019io ilany havia io no hametrahanao ny fahadisoan\u2019ny taranak\u2019Israely. Ny isan\u2019ny andro hatorianao mihorirana miankavia no hitondranao ny fahadisoany.",
        "5": "Hasaiko manao an\u2019izany mandritra ny 390\u00a0andro ianao, satria izany no isan\u2019ny taona naharetan\u2019ny fahadisoany. Dia hitondra ny fahadisoan\u2019ny taranak\u2019Israely ianao.",
        "6": "Vitao hatramin\u2019ny farany ireo andro ireo. \u201cMatoria mihorirana miankavanana indray avy\u00a0eo. Dia hitondra ny fahadisoan\u2019ny taranak\u2019i Joda mandritra ny 40 andro ianao, ka andro iray hosoloana taona iray. Andro iray soloana taona iray mantsy no ampihariko aminao.",
        "7": "Ary atodiho any amin\u2019i Jerosalema atao fahirano ny tarehinao, ka asehoy ny sandrinao, dia maminania hoe hisy loza hanjo an\u2019ilay tan\u00e0na.",
        "8": "\u201cHofatorako amin\u2019ny tady ianao mba tsy ho afaka hivadi-mandry, raha tsy rehefa vitanao ny andro hanaovanao fahirano azy.",
        "9": "\u201cMak\u00e0 varimbazaha, vary orza, tsaramaso\u00a0be, lantihy, ampemby, ary vary spelta, dia afangaroy ao anaty vilany iray ka anaovy mofo ho anao. Mandritra ireo andro hatorianao amin\u2019ny ilanao, izany hoe mandritra ny 390 andro, ianao no hihinana an\u2019ilay izy.",
        "10": "Holanjainao ilay izy, ka 20 sekely ny lanjan\u2019ny sakafo hohaninao isan\u2019andro. Aza ovaovana ny fotoana hihinananao azy.",
        "11": "\u201cRano afatra koa no hosotroinao, dia ampahenin\u2019ny hina. Aza ovaovana koa ny fotoana hisotroanao azy.",
        "12": "\u201cHohaninao hoatran\u2019ny mihinana mofo boribory vita tamin\u2019ny vary orza ilay izy. Handrahoinao eo imason\u2019izy ireo ilay izy, ka dikin\u2019olona efa maina no hataonao kitay.\u201d",
        "13": "Hoy koa i Jehovah: \u201cHoatr\u2019izany no hihinanan\u2019ny Israelita mofo maloto any amin\u2019ireo firenena hanaparitahako azy.\u201d",
        "14": "Dia hoy aho: \u201cAza atao an\u2019izany kosa\u00a0re, ry Jehovah Tompo Fara Tampony\u00a0\u00f4! Mbola tsy voaloto aho hatramin\u2019izaho mbola kely ka hatramin\u2019izao, satria mbola tsy nihinana biby maty ho azy na noviravirain\u2019ny bibidia. Mbola tsy nisy hena maloto koa niditra tao am-bavako.\u201d",
        "15": "Ary hoy izy tamiko: \u201cEny \u00e0ry fa havelako hampiasa tain\u2019omby ianao fa tsy dikin\u2019olona. Dia izay no ataovy kitay handrahoanao ny mofonao.\u201d",
        "16": "Hoy indray izy tamiko: \u201cRy\u00a0zanak\u2019olona, hataoko tsy misy sakafo tafiditra intsony ao Jerosalema. Hitebiteby\u00a0be izy ireo rehefa mihinana mofo efa voalanja, sady hihorohoro rehefa misotro rano efa voafatra.",
        "17": "Hitranga izany ka hifampijery izy ireo sady ho gaga fa tsy manana mofo sy rano intsony. Ary ho lasa taolana mifono hoditra sisa izy ireo, noho ny fahadisoany."
    },
    "5": {
        "1": "\u201cAry ianao, ry zanak\u2019olona, mak\u00e0 sabatra maranitra, ka ataovy toy ny harezan\u2019ny mpanety izany. Dia kakaso ny lohanao ary esory ny volombavanao. Dia mak\u00e0 mizana ka lanjao sy zarao telo ilay volo.",
        "2": "Dory ao an-tan\u00e0na ny ampahatelony, rehefa tapitra ny andro anaovana fahirano azy. Alaivo indray ny ampahatelony iray, ka asio amin\u2019ny sabatra eny amin\u2019ny manodidina ny tan\u00e0na ilay izy. Ny ampahatelony sisa kosa aparitaho eny amin\u2019ny rivotra, fa hanatsoaka sabatra aho hanenjehana azy.",
        "3": "\u201cAkao singany vitsivitsy io ampahatelony farany io, dia fonosy ao anaty akanjonao.",
        "4": "Mbola mak\u00e0 ihany singam-bolo vitsivitsy, ka atsipazo ao anaty afo dia dory tanteraka. Fa io afo io no hiely any amin\u2019ny taranak\u2019Israely manontolo.",
        "5": "\u201cIzao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u2018I Jerosalema io! Nataoko teo afovoan\u2019ireo firenena izy, ka voahodidin\u2019ny tany be dia\u00a0be.",
        "6": "Nikomy anefa izy ka tsy nanaraka ny didim-pitsarako sy ny lal\u00e0ko, fa nanao ratsy mihoatra noho ireo firenena sy noho ireo tany manodidina azy. Nolaviny mantsy ny didim-pitsarako, ary tsy narahiny ny lal\u00e0ko.\u2019",
        "7": "\u201cIzao \u00e0ry no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u2018Koa satria ianareo mbola maditra noho ireo firenena manodidina anareo, ka tsy nanaraka ny lal\u00e0ko sy ny didim-pitsarako, fa ny didim-pitsaran\u2019ireo firenena manodidina anareo indray no narahinareo,",
        "8": "dia izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u201cHamely anao aho, ry tan\u00e0na\u00a0\u00f4! Izaho mihitsy no hampihatra didim-pitsarana aminao eo imason\u2019ireo firenena.",
        "9": "Zavatra mbola tsy nataoko mihitsy sady tsy hataoko intsony no hataoko eo aminao, noho ny zava-maharikoriko rehetra nataonao.",
        "10": "\u201c\u2018\u201cDia hihinana ny zanany ny ray eo aminao, ary ny zanaka hihinana ny rainy. Hampihatra didim-pitsarana aminao aho, dia haparitako any amin\u2019ny vazan-tany efatra ny olona sisa rehetra eo aminao.\u201d\u2019",
        "11": "\u201c\u2018Raha mbola velona koa \u00e0ry aho\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, \u2018dia hariako ianareo satria nolotoinareo tamin\u2019ny sampy maharikoriko sy ny zava-maharikoriko rehetra nataonareo ny toerako masina. Tsy hiantra anareo ny masoko, ary tsy hangoraka anareo aho.",
        "12": "Ny ampahatelonareo dia ho fatin\u2019ny areti-mandringana na ho fatin\u2019ny mosary, eo aminareo. Ary ny ampahatelony indray ho fatin\u2019ny sabatra manodidina anareo. Ny ampahatelony sisa kosa haparitako any amin\u2019ny vazan-tany efatra, ary hanatsoaka sabatra aho hanenjehana azy.",
        "13": "Dia tsy ho tezitra amin\u2019izy ireo intsony aho avy eo sady ho tony ny hatezerako, ka ho afa-po aho. Rehefa avy nanamparako ny hatezerako izy ireo, dia tsy maintsy ho fantany fa izaho Jehovah no niteny, satria mitaky ny hanompoana ahy irery ihany aho.",
        "14": "\u201c\u2018Hataoko rava tanteraka ianao sady ho afa-baraka, eo amin\u2019ireo firenena manodidina anao sy eo imason\u2019ny mpandalo rehetra.",
        "15": "Ho afa-baraka sy hesoesoina ianao, ary ho anatra sy hampihorohoro an\u2019ireo firenena manodidina ny zavatra manjo anao, rehefa ampihariko aminao ny didim-pitsarako. Ho tezitra sy hisafoaka aho amin\u2019izay, ary hanasazy mafy anao. Izaho Jehovah no efa niteny.",
        "16": "\u201c\u2018Handefasako mosary ianareo, ka hamely anareo hoatran\u2019ny zana-tsip\u00ecka mahafaty izany. Izany zana-tsip\u00ecka halefako izany no handringana anareo. Hataoko mafy\u00a0be ny mosary hahazo anareo, ka hataoko tsy misy sakafo tafiditra intsony ao amin\u2019ny tan\u00e0nanareo.",
        "17": "Handefa mosary sy bibidia masiaka hamely anareo aho. Dia haripany ny zanakao. Hisy areti-mandringana sy ra mandriaka eran\u2019ny taninao, ary hitondra sabatra hamelezana anao aho. Izaho Jehovah no efa niteny.\u2019\u201d"
    },
    "6": {
        "1": "Niteny tamiko indray i Jehovah hoe:",
        "2": "\u201cRy\u00a0zanak\u2019olona, mitodiha any amin\u2019ireo tendrombohitr\u2019i Israely, ary maminania hoe hisy loza hanjo azy.",
        "3": "Lazao aminy hoe: \u2018Ry\u00a0tendrombohitr\u2019i Israely\u00a0\u00f4, henoy ny tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony amin\u2019ireo tendrombohitra sy havoana sy renirano ary lohasaha: \u201cHamely anareo amin\u2019ny sabatra aho, ary horavako ny toerana avo eo aminareo.",
        "4": "Horavana ny alitaranareo, ary hopotipotehina ny fandoroanareo emboka manitra. Hataoko miampatrampatra eny anoloan\u2019ireo sampinareo maharikoriko ny fatinareo.",
        "5": "Hatsipiko eny anoloan\u2019ireo sampiny maharikoriko ny fatin\u2019ny vahoakan\u2019Israely, ary haparitako manodidina ny alitaranareo ny taolanareo.",
        "6": "Any amin\u2019izay rehetra ipetrahanareo, dia horavana ny tan\u00e0na, ary harodana tanteraka ny toerana avo. Harodana ny alitaranareo ka ho potipotika. Tsy hisy hiangana koa ireo sampinareo maharikoriko, hopotipotehina ny fandoroanareo emboka manitra, ary ho levona ny zavatra namboarinareo.",
        "7": "Dia hiampatrampatra eo aminareo ny fatin\u2019izay novonoina, ka tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho no Jehovah.",
        "8": "\u201c\u2018\u201cHavelako hisy hiangana ihany anefa ianareo. Ny sasany aminareo mantsy tsy ho fatin\u2019ny sabatra any amin\u2019ireo firenena, rehefa miparitaka any amin\u2019ny tany hafa ianareo.",
        "9": "Dia hahatsiaro ahy any amin\u2019izay firenena hitondrana azy ho babo ireo tafavoaka velona ireo. Ho fantany fa tena nalahelo aho satria nivadika tamiko sy niala tamiko ny fony, ary nitsiriritra an\u2019ireny sampiny maharikoriko ireny ny masony. Hahamenatra sy hahatsiravina azy ireo ny zavatra ratsy sy maharikoriko rehetra vitany.",
        "10": "Dia tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah. Ho fantany koa fa notanterahiko ilay teniko hoe hasiako amin\u2019izany loza izany izy.\u201d\u2019",
        "11": "\u201cIzao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u2018Mitehafa dia atont\u00f2ny amin\u2019ny tany ny tongotrao, mba ho hita hoe malahelo ianao noho ny zavatra ratsy sy maharikoriko rehetra nataon\u2019ny taranak\u2019Israely. Ho fatin\u2019ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana mantsy izy ireo.",
        "12": "Ho fatin\u2019ny areti-mandringana izay any lavitra, fa ho fatin\u2019ny sabatra kosa izay eo akaiky. Izay sisa tsy matin\u2019ireny indray ho fatin\u2019ny mosary. Dia hanamparako ny hatezerako tanteraka izy ireo.",
        "13": "Koa tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho no Jehovah, rehefa miampatrampatra eny akaikin\u2019ny sampiny maharikoriko ny fatiny, dia eny amin\u2019ny manodidina ny alitarany, eny amin\u2019ny havoana rehetra, eny an-tampon-tendrombohitra rehetra, eny ambanin\u2019ny hazo midoroboka rehetra, ary eny ambanin\u2019ny sampan\u2019ny hazobe. Teny amin\u2019ireny mantsy izy ireo no nanao fanatitra manitra mamerovero mba hampitony ny sampiny maharikoriko rehetra.",
        "14": "Ary hanatsotra ny tanako aho mba hamely azy ireo, ka hataoko tsy misy mponina ilay tany. Ho lasa tsy misy mponina koa ny toerana rehetra ipetrahany, mihoatra noho ilay tany efitra any akaikin\u2019i Dibla. Dia tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah.\u2019\u201d"
    },
    "7": {
        "1": "Niteny tamiko indray i Jehovah hoe:",
        "2": "\u201cRy\u00a0zanak\u2019olona, izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony amin\u2019ny tanin\u2019ny Israely: \u2018Tonga ny farany! Tonga ny farany ho an\u2019ny vazan-tany efatra!",
        "3": "Tonga aminao tokoa izao ny farany, ary hanamparako ny hatezerako ianao. Hotsaraiko araka izay nataonao ianao, ary hataoko ampamoaka noho ny zavatra maharikoriko rehetra nataonao.",
        "4": "Tsy hiantra anao ny masoko ary tsy hangoraka anao aho, fa hataoko mizaka ny valin\u2019ny nataonao ihany ianao. Dia hijaly vokatry ny zavatra maharikoriko nataonao ianao. Ary tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho no Jehovah.\u2019",
        "5": "\u201cIzao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u2018Ho avy ny loza, dia loza mbola tsy nisy hoatr\u2019izany!",
        "6": "Ho avy ny farany! Ho avy ny farany ka hamely anao. Ho avy tokoa izany.",
        "7": "Tonga ny anjaranao, ry\u00a0mponina ao amin\u2019ilay tany. Ho avy ny fotoana, ary efa akaiky ny andro. Sahotaka fa tsy horakora-pifaliana no eny an-tendrombohitra.",
        "8": "\u201c\u2018Kely sisa dia ho tezitra\u00a0be aminao aho, ka hanamparako ny hatezerako rehetra ianao. Dia hotsaraiko araka izay nataonao ianao, ary hataoko ampamoaka noho ny zavatra maharikoriko rehetra nataonao.",
        "9": "Tsy hiantra anao ny masoko ary tsy hangoraka anao aho, fa hataoko mizaka ny valin\u2019ny nataonao ianao. Dia hijaly vokatry ny zavatra maharikoriko nataonao ihany ianao. Ary tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho Jehovah no mamely anareo.",
        "10": "\u201c\u2018Ho avy ilay andro! Ho avy tokoa ilay andro! Anjaranao amin\u2019izay izao. Efa namony ny tsorakazo famaizana, ary nitsiry ny fireharehana.",
        "11": "Lasa tsorakazo famaizana an\u2019izay mpanao ratsy ny herisetra. Tsy hisy hiangana ianareo ary tsy hisy intsony na ny harenanareo, na ny vahoakanareo, na ny voninahitrareo.",
        "12": "Ho avy ny fotoana, ary ho avy tokoa ilay andro. Tsy tokony hifaly ny mpividy, ary tsy tokony halahelo ny mpivarotra, satria hiharan\u2019ny hatezerana daholo ny vahoaka manontolo.",
        "13": "Fa na dia tafavoaka velona aza ny mpivarotra, dia tsy hiverina amin\u2019ilay tany efa namidiny intsony izy, satria hihatra amin\u2019ny vahoaka rehetra ilay fahitana. Tsy hisy hiverina izy ireo, ary tsy hisy hahavita hiaro ny ainy, satria samy manao fahadisoana.",
        "14": "\u201c\u2018Nitsoka trompetra izy ireo, ary efa vonona ny olona rehetra, saingy tsy hisy handeha hiady, satria tezitra\u00a0be amin\u2019ny vahoaka manontolo aho.",
        "15": "Sabatra no eny ivelany, ary areti-mandringana sy mosary no ao anatiny. Ho fatin\u2019ny sabatra izay eny an-tsaha, ary ho ripaky ny mosary sy ny areti-mandringana kosa izay ao an-tan\u00e0na.",
        "16": "Ho any an-tendrombohitra izay tafavoaka velona sy afaka nandositra. Samy hitoreo hoatran\u2019ny voromailala eny an-dohasaha izy ireo, noho ny fahadisoana nataony.",
        "17": "Hiraviravy tanana daholo izy ireo, ary hisy rano mitete eo amin\u2019ny lohalik\u2019izy rehetra.",
        "18": "Mitafy lamba gony izy ireo ary lasa mangovitra\u00a0be. Hatao afa-baraka izy rehetra, ary ho sola daholo ny lohany.",
        "19": "\u201c\u2018Hatsipiny eny an-dalana ny volafotsiny, ary haharikoriko azy ny volamenany. Tsy hahavonjy azy na ny volafotsiny na ny volamenany, amin\u2019ny andro fahatezeran\u2019i Jehovah. Tsy ho afa-po izy ireo ary tsy ho voky ny kibony. Lasa vato mahatafintohina azy mantsy ireny, ka mahatonga azy hanao fahadisoana.",
        "20": "Mirehareha izy ireo hoe manana firavaka tsara tarehy, ary nanamboarany sary maharikoriko ireny, izany hoe sampy mahatsiravina. Hataoko lasa maharikoriko azy \u00e0ry ireny.",
        "21": "Havelako horobain\u2019ny hafa firenena ireny sady hoentin\u2019ny ratsy fanahy eto an-tany ho babo, ka hozimbazimbainy.",
        "22": "\u201c\u2018Hihodina tsy hijery azy ireo aho, ary hozimbazimbainy ny toerana miafina misy ahy. Hisy mpandroba hiditra ao ka hanazimbazimba azy io.",
        "23": "\u201c\u2018Manamboara rojo vy, satria feno ra mandriaka ilay tany noho ny didim-pitsarana tsy ara-drariny. Feno herisetra koa ilay tan\u00e0na.",
        "24": "Firenena faran\u2019izay ratsy fanahy no hoentiko any amin\u2019izy ireo, ka ho lasan\u2019ireny ny tranony. Hataoko tsy afaka mirehareha intsony izay matanjaka, ary hozimbazimbaina ny toerany masina.",
        "25": "Rehefa mijaly izy ireo dia hitady fiadanana, nefa tsy hisy izany.",
        "26": "Hisesisesy ny loza sy ny vaovao ratsy. Hitady fahitana any amin\u2019ny mpaminany ny olona fa tsy hahita. Tsy hisy hilana azy koa ny lal\u00e0na omen\u2019ny mpisorona sy ny torohevitry ny anti-panahy.",
        "27": "Hisaona ny mpanjaka, ary ho kivy tanteraka ny mpiadidy. Hangovitra ny tanan\u2019ny mponina ao amin\u2019ilay tany satria matahotra\u00a0be izy ireo. Hovaliako araka ny nataony izy ireo, ary hotsaraiko araka izay nitsarany olona. Dia tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah.\u2019\u201d"
    },
    "8": {
        "1": "Tamin\u2019ny andro fahadimin\u2019ny volana fahenina, tamin\u2019ny taona fahenina, dia niasa tamiko ny herin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony. Nipetrapetraka tao an-tranoko aho tamin\u2019izay, ary nipetraka teo anoloako ny anti-panahy avy any Joda.",
        "2": "Rehefa nijery aho dia nahita hoatran\u2019ny bikabikan\u2019olona, ary hoatran\u2019ny afo ilay izy. Nisy afo, avy eo amin\u2019ilay hoatran\u2019ny andilany no ho midina. Fa avy eo amin\u2019ny andilany no ho miakatra kosa namirapiratra hoatran\u2019ny metaly manjelatra.",
        "3": "Dia nisy hoatran\u2019ny tanana natsotrany ka noraisiny tamin\u2019ny volon-dohako aho. Tao anatin\u2019ilay fahitana avy tamin\u2019Andriamanitra, dia nentin\u2019ny fanahy ho eo anelanelan\u2019ny tany sy ny lanitra aho, ka nentiny tany Jerosalema, nankeo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ilay vavahady anatiny mitodika mianavaratra. Teo no nisy an\u2019ilay sampy mahatonga an\u2019Andriamanitra ho saro-piaro.",
        "4": "Dia hitako teo ny voninahitr\u2019ilay Andriamanitry ny Israely, ary hoatran\u2019ilay hitako teny amin\u2019ny tany lemaka ilay izy.",
        "5": "Dia hoy izy tamiko: \u201cRy\u00a0zanak\u2019olona, atopazo mianavaratra ny masonao, azafady!\u201d Dia natopiko nianavaratra ny masoko, ka hitako teo avaratr\u2019ilay vavahady mankeo amin\u2019ny alitara, teo amin\u2019ny fidirana, ilay sampy mahatonga an\u2019Andriamanitra ho saro-piaro.",
        "6": "Dia hoy izy tamiko: \u201cRy\u00a0zanak\u2019olona, hitanao ve io zavatra mahatsiravina sy maharikoriko ataon\u2019ny taranak\u2019Israely eto io, ka mahatonga ahy hanalavitra ny toerako masina? Hahita zavatra hafa maharikoriko sady mbola mahatsiravina kokoa anefa ianao.\u201d",
        "7": "Nentiny teo amin\u2019ny fidirana mankao amin\u2019ny tokotany aho avy eo, ka rehefa nijery aho dia nahita lavaka iray teo amin\u2019ny rindrina.",
        "8": "Dia hoy izy tamiko: \u201cRy\u00a0zanak\u2019olona, loahy tanteraka ilay rindrina, azafady!\u201d Dia noloahako ilay rindrina, ka nahita fidirana iray aho.",
        "9": "Hoy indray izy tamiko: \u201cMidira dia jereo ny zavatra ratsy sy maharikoriko ataon\u2019izy ireo ao.\u201d",
        "10": "Dia niditra aho, ka nahita sarina biby mandady sy biby maharikoriko isan-karazany, ary ny sampy maharikoriko rehetra notompoin\u2019ny taranak\u2019Israely. Natao sary sokitra eran\u2019ny rindrina ireny.",
        "11": "Nisy anti-panahy 70 teo amin\u2019ny taranak\u2019Israely nijoro teo anoloan\u2019ireny, ary niara-nijoro taminy koa i Jazania zanak\u2019i Safana. Samy nitondra ny fitaovany fandoroana emboka manitra izy ireo, dia niakatra ny setrok\u2019ilay emboka manitra nodorana.",
        "12": "Ary hoy izy tamiko: \u201cHitanao ve, ry\u00a0zanak\u2019olona, izao ataon\u2019ny anti-panahin\u2019ny taranak\u2019Israely ao amin\u2019ny maizina izao? Jereo ny ataony ao amin\u2019ireo efitrano anatiny ametrahan\u2019izy tsirairay ny sampiny. Hoy mantsy izy ireo: \u2018Tsy mahita antsika ange i Jehovah\u00a0e! Efa nafoin\u2019i Jehovah ny tanintsika!\u2019\u201d",
        "13": "Hoy ihany izy tamiko: \u201cHahita zavatra maharikoriko mbola mahatsiravina kokoa noho izao ataon\u2019izy ireo izao ianao.\u201d",
        "14": "Koa nentiny teo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny vavahady avaratra mankao amin\u2019ny tranon\u2019i Jehovah aho. Dia nahita vehivavy maromaro nipetraka teo aho, ary nitomany an\u2019ilay andriamanitra atao hoe Tamoza izy ireo.",
        "15": "Hoy indray izy tamiko: \u201cHitanao ve izao, ry\u00a0zanak\u2019olona? Hahita zavatra maharikoriko mbola mahatsiravina kokoa noho izao ianao.\u201d",
        "16": "Dia nentiny tao amin\u2019ny tokotany anatiny misy ny tranon\u2019i Jehovah aho. Nisy lehilahy 25 teo ho eo tao, teo amin\u2019ny fidirana mankao amin\u2019ny tempolin\u2019i Jehovah, teo anelanelan\u2019ny tilikambo fidirana sy ny alitara. Niamboho ny tempolin\u2019i Jehovah izy ireo, ka nitodika niantsinanana. Nivavaka tamin\u2019ny masoandro izy ireo ka niankohoka niantsinanana.",
        "17": "Hoy ihany izy tamiko: \u201cHitanao ve izao, ry\u00a0zanak\u2019olona? Angaha heverin\u2019ny taranak\u2019i Joda hoe tsy maninona raha manao an\u2019ireny zavatra maharikoriko ireny ry zareo, dia avy eo fenoiny herisetra ny tany sady ataony foana izay hampahatezitra ahy? Dia izao koa mbola ampiakariny hatreny amin\u2019ny oroko mihitsy ilay rantsankazo!",
        "18": "Koa hanampatra ny hatezerako aho. Tsy hiantra azy ireo ny masoko, ary tsy hangoraka azy ireo aho. Na dia hitalaho mafy\u00a0be eo am-poto-tsofiko aza izy ireo, dia tsy hihaino azy aho.\u201d"
    },
    "9": {
        "1": "Dia henoko izy niantsoantso mafy hoe: \u201cAntsoy ireo hanasazy an\u2019ilay tan\u00e0na, ka asaivo mitondra ny fitaovam-piadiany avy mba handringanana!\u201d",
        "2": "Dia nahita lehilahy enina aho, avy tany amin\u2019ilay vavahady ambony manandrify ny avaratra. Samy nitondra ny fitaovam-piadiany famotipotehana izy ireo. Niaraka tamin\u2019izy ireo ny lehilahy iray nanao akanjo rongony, ary nisy fitoeran-dranomaintin\u2019ny mpitan-tsoratra teo amin\u2019ny andilany. Dia niditra izy ireo ka nijoro teo akaikin\u2019ny alitara varahina.",
        "3": "Ary niakatra avy teo ambonin\u2019ireo kerobima ny voninahitr\u2019ilay Andriamanitry ny Israely, ka nankeo amin\u2019ny tokonam-baravaran\u2019ilay trano. Dia nantsoin\u2019Andriamanitra ilay lehilahy nanao akanjo rongony, ilay nisy fitoeran-dranomaintin\u2019ny mpitan-tsoratra teo amin\u2019ny andilany.",
        "4": "Hoy i Jehovah taminy: \u201cMandehana mitety ny tan\u00e0nan\u2019i Jerosalema, ka asio marika ny handrin\u2019ny olona misento sy mitaraina noho ny zavatra maharikoriko rehetra atao ao.\u201d",
        "5": "Henoko koa izy niteny tamin\u2019ireo lehilahy hafa hoe: \u201cMandehana manaraka azy mitety an\u2019ilay tan\u00e0na, ka asio ny olona. Aza miantra azy ireo ny masonareo, ary aza mangoraka azy.",
        "6": "Fa vonoy daholo na lehilahy efa antitra na tanora, na virjiny, na ankizikely, na vehivavy. Aza mankeo amin\u2019izay olona misy an\u2019ilay marika anefa. Dia atombohy ao amin\u2019ny toerako masina izany.\u201d Nanomboka teo amin\u2019ny anti-panahy teo alohan\u2019ilay trano \u00e0ry izy ireo.",
        "7": "Hoy ihany Andriamanitra tamin\u2019izy ireo: \u201cLotoy ilay trano, ary fenoy faty ny tokotany. Mandehana amin\u2019izay!\u201d Dia lasa ireo ka namely an\u2019izay tao an-tan\u00e0na.",
        "8": "Raha mbola namely izy ireo, dia izaho irery sisa no tavela. Koa niankohoka aho ka nitalaho hoe: \u201cRy\u00a0Jehovah Tompo Fara Tampony\u00a0\u00f4! Dia haringanao daholo ve ny sisa amin\u2019ny Israely, amin\u2019izao ianao manampatra ny hatezeranao amin\u2019i Jerosalema izao?\u201d",
        "9": "Dia hoy izy tamiko: \u201cBe\u00a0loatra ny fahadisoana nataon\u2019ny taranak\u2019Israely sy Joda. Feno ra mandriaka ilay tany, sady manjaka ao an-tan\u00e0na ny kolikoly. Hoy mantsy izy ireo: \u2018Efa nafoin\u2019i Jehovah ange ny tanintsika\u00a0e! Dia tsy mahita antsika i Jehovah.\u2019",
        "10": "Raha ny amiko kosa, tsy hiantra azy ireo ny masoko sady tsy hangoraka azy aho, fa hataoko mivaly aminy ny nataony.\u201d",
        "11": "Dia hitako niverina mba hanao tatitra ilay lehilahy nanao akanjo rongony, ilay nisy fitoeran-dranomaintin\u2019ny mpitan-tsoratra teo amin\u2019ny andilany. Hoy izy: \u201cEfa vitako izay nasainao nataoko.\u201d"
    },
    "10": {
        "1": "Raha iny mbola nijery iny aho, dia nahita zavatra toy ny vato safira teo ambonin\u2019ilay zavatra fisaka teo ambony lohan\u2019ny kerobima. Hoatran\u2019ny seza fiandrianana no fahitana azy io.",
        "2": "Dia hoy Andriamanitra tamin\u2019ilay lehilahy nanao akanjo rongony: \u201cMidira eo anelanelan\u2019ireo kodiarana, eo ambanin\u2019ireo kerobima, dia fenoy vainafo avy eo anelanelan\u2019ireo kerobima ny tananao roa, dia atsipazo ao an-tan\u00e0na ilay izy.\u201d Koa niditra izy tamin\u2019izaho mbola nijery azy.",
        "3": "Nijoro teo ankavanan\u2019ilay trano ireo kerobima rehefa niditra ilay lehilahy, ary feno rahona ny tokotany anatiny.",
        "4": "Ary niakatra avy teo amin\u2019ireo kerobima ny voninahitr\u2019i Jehovah, ka nankeo amin\u2019ny tokonam-baravaran\u2019ilay trano. Dia lasa feno rahona tsikelikely ilay trano, ary feno ny voninahitr\u2019i Jehovah namirapiratra ny tokotany.",
        "5": "Heno hatreny amin\u2019ny tokotany ivelany ny feon\u2019ny elatr\u2019ireo kerobima, izay hoatran\u2019ny feon\u2019ilay Andriamanitra Mahery Indrindra rehefa miteny.",
        "6": "Nomeny baiko indray ilay lehilahy nanao akanjo rongony hoe: \u201cMak\u00e0 afo avy eo anelanelan\u2019ireo kodiarana, eo anelanelan\u2019ireo kerobima.\u201d Dia niditra ilay lehilahy ka nijoro teo akaikin\u2019ny kodiarana.",
        "7": "Ary nanatsotra ny tanany nankeo amin\u2019ilay afo teo anelanelan\u2019ireo kerobima ny iray tamin\u2019ireo kerobima. Dia naka vainafo izy ka nataony teo amin\u2019ny tanan\u2019ilay lehilahy nanao akanjo rongony, teo amin\u2019ny felatanany roa. Dia noraisin\u2019ilay lehilahy ilay izy, ka lasa izy nivoaka.",
        "8": "Nisy hoatran\u2019ny tanan\u2019olona teo ambany elatr\u2019ireo kerobima.",
        "9": "Raha iny mbola nijery iny aho, dia nahita kodiarana efatra teo akaikin\u2019ireo kerobima. Samy nisy kodiarana iray teo akaikin\u2019ny kerobima tsirairay. Namirapiratra hoatran\u2019ny vato krizolita ny fahitako an\u2019ireo kodiarana.",
        "10": "Nitovy daholo ny fahitana azy efatra, hoatran\u2019ny kodiarana ao anaty kodiarana.",
        "11": "Rehefa nandeha izy ireo, dia afaka nandroso na nihemotra na niankavia na niankavanana nefa tsy nila nivily. Tany amin\u2019izay nitodihan\u2019ny lohan\u2019ny kerobima mantsy no nandehanany, ary tsy nila nivily izy ireo rehefa nandeha.",
        "12": "Feno maso daholo ny vatan\u2019ireo kerobima ireo manontolo, ny lamosiny, ny tanany, ny elany, ary ireo kodiarana, izany hoe ny kodiarana teo akaikin\u2019izy efatra.",
        "13": "Dia naheno feo niantso an\u2019ireo kodiarana aho hoe: \u201cRy\u00a0kodiarana\u00a0\u00f4!\u201d",
        "14": "Samy nanana tarehy efatra izy tsirairay: Tarehina kerobima ilay tarehy voalohany, tarehin\u2019olona ilay faharoa, tarehin-diona ilay fahatelo, ary tarehim-boromahery ilay fahefatra.",
        "15": "Ary niakatra ireo kerobima. Ireo ihany ny zavamananaina efa hitako teo amoron\u2019ny reniranon\u2019i Kebara.",
        "16": "Rehefa nandeha ireo kerobima, dia nandeha teo anilany koa ny kodiarana. Ary rehefa nanainga ny elany hiakatra avo ambonin\u2019ny tany ireo kerobima, dia tsy nivily na niala teo anilany ny kodiarana.",
        "17": "Rehefa nijanona izy ireo, dia nijanona koa ny kodiarana. Rehefa niakatra izy ireo, dia niakatra koa ny kodiarana, satria ilay fanahy izay niasa tao amin\u2019ireo zavamananaina ihany no tao amin\u2019ireo kodiarana ireo.",
        "18": "Avy eo dia niala teo ambonin\u2019ny tokonam-baravaran\u2019ilay trano ny voninahitr\u2019i Jehovah, ka nijanona teo ambonin\u2019ireo kerobima ireo.",
        "19": "Rehefa nijery aho, dia hitako fa nanainga ny elany ireo kerobima ka niakatra niala tamin\u2019ny tany. Rehefa nandeha izy ireo, dia teo anilany koa ny kodiarana. Nijanona teo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny vavahady atsinanana mankao an-tranon\u2019i Jehovah izy ireo, ary teo ambonin\u2019izy ireo ny voninahitr\u2019ilay Andriamanitry ny Israely.",
        "20": "Ireo ihany ny zavamananaina efa hitako teo ambanin\u2019ilay Andriamanitry ny Israely, teo amoron\u2019ny reniranon\u2019i Kebara. Dia fantatro fa kerobima izy ireo.",
        "21": "Samy nanana tarehy efatra sy elatra efatra izy efatra, ary samy nanana hoatran\u2019ny tanan\u2019olona, teo ambany elany.",
        "22": "Nitovy tamin\u2019ireo endrika efa hitako teo amoron\u2019ny reniranon\u2019i Kebara ny fahitako ny endriny. Ary samy nandeha mahitsy izy ireo."
    },
    "11": {
        "1": "Ary nisy fanahy nanainga ahy, ka nitondra ahy tany amin\u2019ilay vavahady atsinanana mankao amin\u2019ny tranon\u2019i Jehovah, dia ilay mitodika miantsinanana. Dia nahita lehilahy 25 teo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ilay vavahady aho, ary niaraka tamin\u2019izy ireo koa i Jazania zanak\u2019i Azora sy Pelatia zanak\u2019i Benaia. Andrianan\u2019ny vahoaka daholo izy ireo.",
        "2": "Dia hoy Andriamanitra tamiko: \u201cRy\u00a0zanak\u2019olona, ireo lehilahy ireo no mitetika hanisy ratsy sy manome saina ratsy eto amin\u2019ity tan\u00e0na ity.",
        "3": "Fa hoy izy ireo: \u2018Tsy izao angaha no fotoana tokony hanorenana trano? Ity tan\u00e0na ity no vilany, ary isika no hena.\u2019",
        "4": "\u201cMaminania \u00e0ry hoe hisy loza hanjo azy ireo. Maminania, ry\u00a0zanak\u2019olona.\u201d",
        "5": "Dia niasa tamiko ny fanahin\u2019i Jehovah, ka hoy izy tamiko: \u201cLazao hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah: \u201cMarina ny teninareo, ry\u00a0taranak\u2019Israely, ary fantatro ny ao an-tsainareo.",
        "6": "Be dia be ny olona maty teto amin\u2019ity tan\u00e0na ity noho ny nataonareo, ary nofenoinareo fatin\u2019olona ny lalambe eto.\u201d\u2019\u201d",
        "7": "\u201cIzao \u00e0ry no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u2018Ny faty nataonareo niampatrampatra eran\u2019ny tan\u00e0na no hena, ary ilay tan\u00e0na no vilany. Fa ianareo kosa havoaka avy ao.\u2019\u201d",
        "8": "\u201c\u2018Sabatra no natahoranareo, nefa sabatra mihitsy no hoentiko hamely anareo\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.",
        "9": "\u2018Havoakako avy ao ianareo, dia hatolotro eo am-pelatanan\u2019ny hafa firenena. Ary hampihatra didim-pitsarana aminareo aho.",
        "10": "Ho fatin\u2019ny sabatra ianareo, ary hotsaraiko eo amin\u2019ny sisin-tanin\u2019ny Israely. Dia tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho no Jehovah.",
        "11": "Tsy ho vilany ho anareo ilay tan\u00e0na, ary tsy ho hena ao anatin\u2019izy io ianareo. Fa hotsaraiko eo amin\u2019ny sisin-tanin\u2019ny Israely ianareo.",
        "12": "Dia tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho no Jehovah. Tsy nanaraka ny fitsipiko mantsy ianareo, sady tsy nanatanteraka ny didim-pitsarako, fa ny didim-pitsaran\u2019ireo firenena manodidina anareo indray no narahinareo.\u2019\u201d",
        "13": "Vao avy naminany aho, dia maty i Pelatia zanak\u2019i Benaia. Koa niankohoka aho ka nitalaho mafy hoe: \u201cRy\u00a0Jehovah Tompo Fara Tampony\u00a0\u00f4! Dia haripakao ve ny sisa amin\u2019ny Israely?\u201d",
        "14": "Niteny tamiko indray i Jehovah hoe:",
        "15": "\u201cRy\u00a0zanak\u2019olona, ny rahalahinao, izany hoe ireo rahalahinao manana zo hanavotra ny taniny, sy ny taranak\u2019Israely manontolo, no nilazan\u2019ny mponin\u2019i Jerosalema hoe: \u2018Mial\u00e0 lavitra an\u2019i Jehovah! Anay ity tany ity, fa efa nomena ho fanananay.\u2019",
        "16": "Koa lazao hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u201cNa dia nalefako lavitra be any amin\u2019ireo firenena aza izy ireo, sady naparitako any amin\u2019ny tany samy hafa, dia tsy ho ela aho dia ho lasa toerana masina ho azy ireo, any amin\u2019izay tany nalehany.\u201d\u2019",
        "17": "\u201cKoa lazao hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u201cHangoniko avy any amin\u2019ireo firenena sy avy any amin\u2019ireo tany nanaparitahako anareo koa ianareo. Dia homeko anareo ny tanin\u2019ny Israely.",
        "18": "Ary hiverina any amin\u2019ny taniny izy ireo, ka hesoriny any daholo ny zavatra mahatsiravina sy ny fanao maharikoriko rehetra.",
        "19": "Homeko fo iray izy ireo, ary toe-tsaina vaovao no hataoko ao aminy. Dia hesoriko ao anatiny ilay fo\u00a0vato, ka homeko fo\u00a0nofo izy ireo.",
        "20": "Amin\u2019izay izy ireo dia hanaraka ny lal\u00e0ko sy hanaja ny didim-pitsarako, ka hankat\u00f2 an\u2019izany. Dia ho vahoakako izy ireo, ary izaho ho Andriamaniny.\u201d\u2019",
        "21": "\u201c\u2018\u201cFa izay mbola mikiry hanao an\u2019ireo zavatra mahatsiravina sy maharikoriko fanaony kosa, dia hataoko mivaly aminy ny nataony\u201d, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.\u2019\u201d",
        "22": "Nanainga ny elany ireo kerobima, ary teo akaikiny teo ireo kodiarana. Teo ambonin\u2019izy ireo kosa ny voninahitr\u2019ilay Andriamanitry ny Israely.",
        "23": "Dia niakatra niala teo amin\u2019ilay tan\u00e0na ny voninahitr\u2019i Jehovah, ka nijanona teny ambonin\u2019ilay tendrombohitra atsinanan\u2019ny tan\u00e0na.",
        "24": "Ary nisy fanahy nanainga ahy, tao anatin\u2019ny fahitana hitako tamin\u2019ny alalan\u2019ny fanahin\u2019Andriamanitra, ka nitondra ahy tany amin\u2019ireo olona natao sesitany tany Kaldea. Dia tapitra ilay fahitana hitako.",
        "25": "Koa noresahiko tamin\u2019ireo olona natao sesitany ny zava-drehetra nasehon\u2019i Jehovah ahy."
    },
    "12": {
        "1": "Niteny tamiko indray i Jehovah hoe:",
        "2": "\u201cRy\u00a0zanak\u2019olona, miara-mipetraka amin\u2019ny mpikomy ianao. Manana maso hijerena izy ireo saingy tsy mahita, ary manana sofina hihainoana saingy tsy mandre. Taranaka mpikomy mantsy izy ireo.",
        "3": "Koa omano ny entanao, ry\u00a0zanak\u2019olona, hoatran\u2019ny hoe hatao sesitany ianao. Dia mandehana any an-tsesitany amin\u2019ny andro antoandro, eo imason\u2019izy ireo. Mial\u00e0 ao an-tranonao, eo imason\u2019izy ireo, dia mandehana any an-toeran-kafa, hoatran\u2019ny olona hatao sesitany. Angamba ho tonga saina ihany izy ireo, na dia taranaka mpikomy aza.",
        "4": "Dia ento mivoaka amin\u2019ny antoandro eo imason\u2019izy ireo ilay entana efa nomaninao, hoatran\u2019ny entan\u2019ny olona hatao sesitany. Rehefa harivariva kosa ianao no tokony hiainga eo imason\u2019izy ireo, toy ny olona hatao sesitany.",
        "5": "\u201cLoahy eo imason\u2019izy ireo ny rindrina, dia avoahy eo amin\u2019ilay lavaka ny entanao.",
        "6": "Ataovy eo an-tsorokao, eo imason\u2019izy ireo, ilay entana ka ento mivoaka rehefa maizina ny andro. Ary sar\u00f2ny ny tarehinao mba tsy hahitanao ny tany, satria ataoko famantarana ho an\u2019ny taranak\u2019Israely ianao.\u201d",
        "7": "Koa nataoko daholo izay nampanaovina ahy. Dia nentiko nivoaka tamin\u2019ny andro antoandro ny entako, toy ny entan\u2019ny olona hatao sesitany. Rehefa harivariva kosa ny andro, dia noloahako tamin\u2019ny tanako ny rindrina. Ary nentiko nivoaka ny entako rehefa maizina ny andro. Dia nataoko teo an-tsoroko, teo imason\u2019izy ireo, ilay entako.",
        "8": "Niteny tamiko indray i Jehovah rehefa maraina, hoe:",
        "9": "\u201cRy\u00a0zanak\u2019olona, tsy nanontany anao ve ny taranak\u2019Israely, ilay taranaka mpikomy, hoe: \u2018Inona ity ataonao?\u2019",
        "10": "Lazao aminy hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u201cMahakasika ny mpiadidy ao Jerosalema sy ny taranak\u2019Israely rehetra mipetraka ao ity fanambarana ity.\u201d\u2019",
        "11": "\u201cKoa lazao hoe: \u2018Famantarana ho anareo aho. Ireny nataoko rehetra ireny no hatao amin\u2019izy ireo. Hatao sesitany sy hoentina ho babo tokoa izy ireo.",
        "12": "Hitondra ny entany eo an-tsorony ilay mpiadidy eo amin\u2019izy ireo, ka hiainga rehefa maizina ny andro. Ary holavahany ny manda, dia havoakany eo ny entany. Dia hotakonany ny tarehiny mba tsy hahita ny tany izy.\u2019",
        "13": "Hatsipiko eo aminy ny haratoko, ka ho tratran\u2019ilay harato famandrihana izy. Ary hoentiko any Babylona, any amin\u2019ny tanin\u2019ny Kaldeanina izy, saingy tsy hahita an\u2019ilay tany. Any izy no ho faty.",
        "14": "Haparitako any amin\u2019ny vazan-tany efatra ny olona rehetra manodidina azy, izany hoe ny mpanampy azy sy ny miaramilany. Ary hanatsoaka sabatra aho dia henjehiko izy ireo.",
        "15": "Dia tsy maintsy ho fantatr\u2019izy ireo fa izaho no Jehovah, rehefa aparitako any amin\u2019ireo firenena izy ireo ka aeliko any amin\u2019ny tany samihafa.",
        "16": "Hisy amin\u2019izy ireo anefa tsy hovonoiko, ka tsy ho fatin\u2019ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana. Amin\u2019izay izy ireo ho afaka hitantara any amin\u2019ireo firenena handehanany ny zavatra maharikoriko rehetra nataony. Dia tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah.\u201d",
        "17": "Niteny tamiko indray i Jehovah hoe:",
        "18": "\u201cRy\u00a0zanak\u2019olona, hihinana ny mofonao ianao sady hangovitra ihany mihinana azy. Hisotro ny ranonao koa ianao, sady hatahotra sy hitebiteby ihany misotro azy.",
        "19": "Ary lazao amin\u2019ny vahoaka hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony amin\u2019ny mponin\u2019i Jerosalema any amin\u2019ny tanin\u2019ny Israely: \u201cHihinana ny mofony izy ireo sady hitebiteby ihany, ary hisotro ny ranony sady hihorohoro ihany. Ho lasa tsy misy mponina intsony mantsy ny taniny satria mahery setra daholo ny mponina ao.",
        "20": "Ho rava ireo tan\u00e0na misy mponina, ary ho lasa ngazana ilay tany. Dia tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho no Jehovah.\u201d\u2019\u201d",
        "21": "Dia niteny tamiko indray i Jehovah hoe:",
        "22": "\u201cRy\u00a0zanak\u2019olona, inona indray izany ohabolana fampiasa eo amin\u2019ny tanin\u2019ny Israely izany? Hoy mantsy izy ireo: \u2018Mandeha ihany ny fotoana, fa tsy misy tanteraka akory ny fahitana.\u2019",
        "23": "Lazao amin\u2019izy ireo \u00e0ry hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u201cHatsahatro izany ohabolana izany, ka tsy hisy hiteny an\u2019izany intsony any Israely.\u201d\u2019 Lazao amin\u2019izy ireo anefa hoe: \u2018Efa akaiky ny fotoana, ary ho tanteraka daholo ny fahitana.\u2019",
        "24": "Fa tsy hisy fahitana sandoka intsony eo amin\u2019ny taranak\u2019Israely, sady tsy hisy mpanao sikidy mamitaka.",
        "25": "\u2018\u201cFa izaho Jehovah no hiteny. Tsy maintsy ho tanteraka izay teneniko, ary tsy hihemotra intsony izany. Dia hiteny an\u2019izany aho amin\u2019izao andronareo izao, ka hotanterahiko izany, ry\u00a0taranaka mpikomy\u00a0\u00f4!\u201d, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.\u2019\u201d",
        "26": "Niteny tamiko indray i Jehovah hoe:",
        "27": "\u201cRy\u00a0zanak\u2019olona, milaza ny vahoakan\u2019Israely hoe: \u2018Mbola any aoriana\u00a0be any vao ho tanteraka ny fahitana hitany, ary mbola ho ela\u00a0be vao ho tanteraka ny faminaniany.\u2019",
        "28": "Koa lazao amin\u2019izy ireo hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u201c\u2018Ho tanteraka daholo ny teniko ary tsy hisy hihemotra intsony izany\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.\u201d\u2019\u201d"
    },
    "13": {
        "1": "Ary niteny tamiko indray i Jehovah hoe:",
        "2": "\u201cRy\u00a0zanak\u2019olona, maminania hoe hisy loza hanjo an\u2019ireo mpaminanin\u2019ny Israely. Lazao amin\u2019izay mamoromporona faminaniana hoe: \u2018Henoy ny tenin\u2019i Jehovah.",
        "3": "Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u201cHahita loza izay mpaminany adala maminany an\u2019izay ao an-tsainy fotsiny, nefa tsy nahita na inona na inona akory!",
        "4": "Lasa hoatran\u2019ny amboadia eny amin\u2019ny tan\u00e0na efa ravarava ny mpaminaninao, ry\u00a0Israely\u00a0\u00f4!",
        "5": "Tsy ho eny amin\u2019izay gorobaka amin\u2019ny manda vato ianareo mba hanorina azy indray ho an\u2019ny taranak\u2019Israely. Noho izany, dia tsy ho tafavoaka velona amin\u2019ilay ady amin\u2019ny andron\u2019i Jehovah ny Israely.\u201d",
        "6": "\u201cNahita fahitana sandoka izy ireo, ary naminany lainga hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah.\u2019 Tsy naniraka azy akory anefa i Jehovah. Dia nandrasan\u2019izy ireo hoe ho tanteraka ny tenin\u2019izy ireo.",
        "7": "Tsy fahitana sandoka ve no hitanareo, ary tsy naminany lainga ve ianareo, tamin\u2019ianareo niteny hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah\u2019, nefa izaho tsy niteny na inona na inona akory?\u201d\u2019",
        "8": "\u201c\u2018Izao \u00e0ry no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u201c\u2018Satria nilaza zavatra diso ianareo sady tsy marina ny fahitana hitanareo, dia hanameloka anareo aho\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.\u201d",
        "9": "Ary ny tanako no hamely an\u2019ireo mpaminany mahita fahitana tsy marina sady maminany lainga. Tsy ho anisan\u2019ny olona tena akaiky ahy izy ireo, sady tsy ho voasoratra anarana ao amin\u2019ny lisitry ny taranak\u2019Israely, ary tsy hiverina any amin\u2019ny tanin\u2019ny Israely. Dia tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho no Jehovah Tompo Fara Tampony.",
        "10": "Nofitahin\u2019izy ireo mantsy ny vahoakako, rehefa nilaza izy ireo hoe: \u201cFiadanana!\u201d, nefa tsy misy fiadanana akory. Rehefa atsangana ny rindrina manasaraka efitra, dia rindrina mora\u00a0simba no atsangana, nefa avy eo laloriny fotsy.\u2019",
        "11": "\u201cTeneno ireo manisy lalotra fotsy an\u2019ilay rindrina hoe hirodana ilay izy. Ho avy\u00a0be ny orana ka hisy riaka\u00a0be. Hilatsaka koa ny havandra, sady hisy tafio-drivotra mifofofofo, ka hirodana ilay izy.",
        "12": "Rehefa mirodana ilay rindrina, dia hisy olona hanontany anareo hoe: \u2018Aiza izao ilay lalotra nataonareo?\u2019",
        "13": "\u201cIzao \u00e0ry no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u2018Tezitra\u00a0be aho ka hataoko misy tafio-drivotra mifofofofo, sady hataoko avy\u00a0be ny orana dia hisy riaka\u00a0be. Hisafoaka koa aho ka hampilatsaka havandra mandravarava.",
        "14": "Ary harodako ny rindrina nasianareo lalotra fotsy ka hazerako amin\u2019ny tany, dia hiseho hatramin\u2019ny fototra iorenany. Ho ringana koa ianareo, rehefa rava ilay tan\u00e0na. Dia tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho no Jehovah.\u2019",
        "15": "\u201c\u2018Rehefa anamparako ny hatezerako ilay rindrina sy ireo nanisy lalotra fotsy tamin\u2019ilay izy, dia hiteny aminareo aho hoe: \u201cTsy eo intsony izao ilay rindrina ary tsy eo intsony koa ireo nandalotra azy.",
        "16": "Tsy eo intsony ny mpaminanin\u2019ny Israely, izay naminany momba an\u2019i Jerosalema sy nahita fahitana hoe hiadana io tan\u00e0na io, nefa tsy misy fiadanana akory\u201d\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.",
        "17": "\u201cAry ianao, ry zanak\u2019olona, mitodiha any amin\u2019ny zanakavavin\u2019ny firenenao izay mamoromporona faminaniana, ka maminania hoe hisy loza hanjo azy ireo.",
        "18": "Lazao aminy hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u201cHahita loza ireo vehivavy manjaitra tapa-damba hatao eny amin\u2019ny sandrin\u2019izy rehetra, ary manamboatra voaly hatao amin\u2019ny lohan\u2019izy rehetra araka izay habeny, satria izy ireo te hihaza ain\u2019olona! Mihaza ny ain\u2019ny vahoakako ve ianareo, nefa ny ainareo tadiavinareo hotsimbinina?",
        "19": "Hanazimbazimba ahy eo imason\u2019ny vahoakako ve ianareo mba hahazoanareo vary orza eran\u2019ny tanana sy poti-mofo, ka vonoinareo izay tsy tokony ho faty, fa tsimbininareo kosa izay tokony ho faty? Manao an\u2019izany mantsy ianareo rehefa mandainga amin\u2019ny vahoakako, izay mihaino ny lainganareo.\u201d\u2019",
        "20": "\u201cIzao \u00e0ry no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u2018Tsy tiako mihitsy ny tapa-damba nampiasainareo vehivavy mba hihazana ain\u2019olona, izay hazainareo hoatran\u2019ny vorona. Dia hendahako eny amin\u2019ny sandrinareo ireny, ary hafahako izay hazainareo hoatran\u2019ny vorona.",
        "21": "Hendahako ny voalinareo, ary hovonjeko avy eny am-pelatananareo ny vahoakako, dia tsy ho toy ny haza hosamborinareo intsony izy ireo. Dia tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho no Jehovah.",
        "22": "Nataonareo kivy ny olo-marina satria nandainganareo, nefa izaho aza tsy nanao izay hampalahelo azy akory. Nampaherezinareo koa ny ratsy fanahy, ka vao mainka tsy niala tamin\u2019ny lalan-dratsiny mba ho voatsimbina ny ainy.",
        "23": "Noho izany, dia tsy hahita fahitana sandoka intsony ianareo vehivavy, ary tsy hanao sikidy intsony. Dia hovonjeko avy eny am-pelatananareo ny vahoakako, ka tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho no Jehovah.\u2019\u201d"
    },
    "14": {
        "1": "Ary nisy anti-panahin\u2019ny Israely tonga tao amiko, ka nipetraka teo anoloako.",
        "2": "Dia niteny tamiko i Jehovah hoe:",
        "3": "\u201cRy\u00a0zanak\u2019olona, efa tapa-kevitra ny hanompo ny sampiny maharikoriko ireo lehilahy ireo. Efa nanisy vato mahatafintohina mahatonga ny olona hanota koa izy ireo. Koa izaho ve dia hanaiky hanontaniany?",
        "4": "Miresaha amin\u2019izy ireo dia teneno izy hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u201cRaha efa tapa-kevitra ny hanompo ny sampiny maharikoriko ny Israelita anankiray, sady manisy vato mahatafintohina mahatonga ny olona hanota, nefa avy eo izy tonga manontany mpaminany, dia izaho Jehovah no hamaly azy mifanaraka tsara amin\u2019ny habetsahan\u2019ny sampiny maharikoriko.",
        "5": "Fa hataoko mihorohoro ny fon\u2019ny taranak\u2019Israely, satria niala tamiko izy rehetra ka nanompo ny sampiny maharikoriko.\u201d\u2019",
        "6": "\u201cTeneno \u00e0ry ny taranak\u2019Israely hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u201cMiverena amiko ka mial\u00e0 amin\u2019ny sampinareo maharikoriko, ary aza manao an\u2019ireny zavatra mahatsiravina rehetra fanaonareo ireny intsony.",
        "7": "Fa raha miala amiko ny Israelita na ny vahiny mipetraka any Israely, ka tapa-kevitra ny hanompo ny sampiny maharikoriko sady manisy vato mahatafintohina mahatonga ny olona hanota, nefa avy eo izy tonga manontany ny mpaminaniko, dia izaho Jehovah mihitsy no hamaly azy.",
        "8": "Hanohitra an\u2019izany olona izany aho, ka hataoko anatra ho an\u2019ny olon-kafa izy, sady hataoko lasa oha-pitenenana, ary haringako tsy ho anisan\u2019ny vahoakako. Dia tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho no Jehovah.\u201d\u2019",
        "9": "\u201c\u2018Raha voafitaka anefa ilay mpaminany ka mamaly an\u2019izay anontaniana azy, dia izaho Jehovah no namitaka azy. Dia hatsotrako hamely azy ny tanako, ka haringako tsy ho anisan\u2019ny Israely vahoakako izy.",
        "10": "Tsy maintsy hizaka ny vokatry ny fahadisoany izy ireo. Hitovy ihany ny fahadisoan\u2019ilay olona nanontany sy ny fahadisoan\u2019ilay mpaminany.",
        "11": "Amin\u2019izay dia tsy hiala amiko intsony ny taranak\u2019Israely, sady tsy handoto ny tenany intsony amin\u2019ny fahadisoana rehetra nataony. Dia ho vahoakako izy ireo, ary izaho ho Andriamaniny\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.\u201d",
        "12": "Ary niteny tamiko indray i Jehovah hoe:",
        "13": "\u201cRy\u00a0zanak\u2019olona, raha manota ny tany iray ka mivadika amiko, dia hatsotrako hamely azy io ny tanako. Hopotipotehiko ny sakafo rehetra voangona ao amin\u2019ilay tany, ary hasiako mosary ao. Dia haripako daholo ny olona sy ny biby ao.\u201d",
        "14": "\u201c\u2018Na dia ao amin\u2019izany tany izany aza ireto telo lahy ireto\u2014i Noa sy Daniela ary Joba\u2014dia ny tenany ihany no ho voavonjiny noho ny fahamarinany\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.\u201d",
        "15": "\u201c\u2018Andeha hatao hoe andefasako bibidia masiaka ao amin\u2019ilay tany, dia aripany daholo ny mponina ao, ary lasa ngazana ilay tany ka tsy misy olona mandalo intsony ao noho ireo bibidia.",
        "16": "Raha mbola velona koa aho\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, \u2018na dia ao amin\u2019izany tany izany aza izy telo lahy ireo, dia tsy hahavita hamonjy ny zanany lahy na ny zanany vavy izy ireo, fa ny tenany ihany no ho voavonjiny, ary tsy hisy mponina intsony ilay tany.\u2019\u201d",
        "17": "\u201c\u2018Andeha hatao koa hoe mitondra sabatra hamelezana an\u2019ilay tany aho, dia miteny hoe: \u201cAoka hisy sabatra hitety an\u2019ilay tany\u201d, dia haripako daholo ny olona sy ny biby ao.",
        "18": "Raha mbola velona koa aho\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, \u2018na dia ao amin\u2019izany tany izany aza izy telo lahy ireo, dia tsy hahavita hamonjy ny zanany lahy na ny zanany vavy izy ireo, fa ny tenany ihany no ho voavonjiny.\u2019\u201d",
        "19": "\u201c\u2018Andeha hatao hoe mandefa areti-mandringana ao amin\u2019ilay tany aho, ka manampatra ny hatezerako aminy dia ataoko misy ra mandriaka ao, sady aripako daholo ny olona sy ny biby fiompy ao.",
        "20": "Raha mbola velona koa aho\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, \u2018na dia ao amin\u2019izany tany izany aza i Noa sy Daniela ary Joba, dia tsy hahavita hamonjy ny zanany lahy na ny zanany vavy izy ireo, fa ny tenany ihany no ho voavonjiny noho ny fahamarinany.\u2019\u201d",
        "21": "\u201cIzao \u00e0ry no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u2018Hoatr\u2019izany no hitranga rehefa andefasako sazy efatra i Jerosalema, dia sabatra sy mosary sy bibidia masiaka ary areti-mandringana. Amin\u2019izay ho ripaka daholo ny olona sy ny biby ao.",
        "22": "Handositra sy havoaka avy ao anefa izay sisa tavela ao, anisan\u2019izany ny zanakalahy sy ny zanakavavy. Ho any aminareo izy ireny, ka rehefa mahita an\u2019izay nataony ianareo, dia hahazo fampiononana noho ny loza nalefako tany Jerosalema, izany hoe izay rehetra nataoko taminy.\u2019\u201d",
        "23": "\u201c\u2018Hampionona anareo izy ireny, rehefa hitanareo izay nataony. Dia ho fantatrareo fa misy antony matoa aho nanao an\u2019izany zavatra tsy maintsy nataoko tamin\u2019i Jerosalema izany\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.\u201d"
    },
    "15": {
        "1": "Niteny tamiko indray i Jehovah hoe:",
        "2": "\u201cRy\u00a0zanak\u2019olona, angaha tsara noho ny hazo hafa na ny sampan\u2019ny hazo ala ny tahon\u2019ny voaloboka?",
        "3": "Azo anaovan-javatra ve ny tahony, sa azo anamboarana fanantonana fitaovana?",
        "4": "Atsipy ao anaty afo aza ilay izy mba hatao kitay. Dia samy may ny tendrony roa, ary levon\u2019ny afo koa ny eo antenatenany. Mbola azo ampiasaina ihany ve ilay izy?",
        "5": "Tamin\u2019ilay izy mbola tsy may aza tsy azo nanaovana na inona na inona, koa mainka fa rehefa may sy levon\u2019ny afo?\u201d",
        "6": "\u201cIzao \u00e0ry no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u2018Hoatran\u2019ilay tahon\u2019ny voaloboka maniry any an\u2019ala, izay natsipiko tao anaty afo mba hatao kitay, dia hataoko hoatr\u2019izany koa ny mponin\u2019i Jerosalema.",
        "7": "Hanohitra azy ireo aho. Tafavoaka avy tao anaty afo izy ireo, saingy ho levon\u2019ny afo ihany. Dia tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho no Jehovah, rehefa manohitra azy ireo aho.\u2019\u201d",
        "8": "\u201c\u2018Hataoko lasa tsy misy mponina ilay tany satria nivadika tamiko izy ireo\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.\u201d"
    },
    "16": {
        "1": "Niteny tamiko indray i Jehovah hoe:",
        "2": "\u201cRy\u00a0zanak\u2019olona, ampahafantaro an\u2019i Jerosalema ny zavatra maharikoriko fanaony.",
        "3": "Koa lazao hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony amin\u2019i Jerosalema: \u201cAny amin\u2019ny tanin\u2019ny Kananita ny fiavianao, ary tany koa ianao no teraka. Amorita ny rainao, ary Hetita ny reninao.",
        "4": "Tamin\u2019ianao teraka, dia tsy notapahina ny tadim-poitranao, tsy nampandroina tamin\u2019ny rano ianao hanadiovana anao, sady tsy nokosehina tamin\u2019ny sira, ary tsy nofonosina lamban-jaza, tamin\u2019ny andro nahaterahanao.",
        "5": "Tsy mba nisy olona niantra anao ka hoe nanao ny iray tamin\u2019ireo zavatra ireo taminao. Tsy nisy nangoraka anao koa, fa natsipy teny an-tsaha aza ianao satria halan\u2019ny olona, tamin\u2019ny andro nahaterahanao.",
        "6": "\u201c\u2018\u201cRehefa nandalo aho, dia nahita anao nitsipatsipaka sady nihosin-dra. Dia hoy aho taminao tamin\u2019ianao mbola nihosin-dra: \u2018Enga anie ianao ho velona!\u2019 Tamin\u2019ianao nihosin-dra teo iny aho no niteny hoe: \u2018Enga anie ianao ho velona!\u2019",
        "7": "Nataoko lasa be dia be ianao, hoatran\u2019ny zavamaniry mitsimoka any an-tsaha. Dia nitombo sy nihalehibe ianao, sady nanao firavaka faran\u2019izay tsara. Efa nihalehibe ny nononao, ary naniry ny volonao. Mbola nitanjaka sy niboridana anefa ianao tamin\u2019izay.\u201d\u2019",
        "8": "\u201c\u2018Rehefa nandalo aho ka nahita anao, dia hitako hoe efa tao amin\u2019ny taona mampitsiry ny fitiavana ianao. Dia novelariko handrakotra anao ny akanjoko, ka norakofako ianao mba tsy hitanjaka. Nianiana sy nanao fifanekena taminao aho\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, \u2018ary lasa fananako ianao.",
        "9": "Nosasako tamin\u2019ny rano koa ianao dia nodioviko, ka niala ny ra teo aminao. Nohosorako menaka ianao avy eo.",
        "10": "Dia nampanaoviko akanjo misy peta-kofehy ianao, sady nomeko kapa hoditra tsara tarehy. Nampitafiako lamba rongony tena tsara ianao, ary nampanaoviko akanjo lafo\u00a0vidy\u00a0be.",
        "11": "Nasiako firavaka ianao, dia nasiako brasele ny tananao ary rojo ny tendanao.",
        "12": "Nasiako kavina koa ny oronao sy ny sofinao, ary diadema tsara tarehy no nataoko teo amin\u2019ny lohanao.",
        "13": "Niravaka volamena sy volafotsy ianao, ary nanao lamba rongony tena tsara sy lamba lafo\u00a0vidy\u00a0be ary akanjo misy peta-kofehy. Lafarinina tsara toto sy tantely ary menaka no fihinanao. Lasa tsara tarehy be ianao, dia lasa mendrika ny ho mpanjakavavy.\u2019\u201d",
        "14": "\u201c\u2018Lasa niely\u00a0be teo amin\u2019ireo firenena ny lazanao satria tsara tarehy ianao. Tena tsara tarehy\u00a0be ianao, satria nataoko teo aminao ny voninahitro\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.\u201d",
        "15": "\u201c\u2018Natoky ny hatsaran-tarehinao anefa ianao, ka lasa nivaro-tena satria nalaza. Nanaram-po nivaro-tena tamin\u2019ny mpandalo rehetra ianao, ka nafoinao ho an\u2019ireny ny hatsaran-tarehinao.",
        "16": "Nalainao ny akanjonao marevaka sasany, dia nandravahanao ny toerana avo, ary teny ianao no nivaro-tena. Zavatra tsy tokony hitranga mihitsy anefa izany sady tsy tokony hisy akory.",
        "17": "Nalainao koa ireo firavakao tsara tarehy vita amin\u2019ny volamena sy volafotsy nomeko anao, ka nanamboaranao sarin-dehilahy. Dia nivaro-tena tamin\u2019ireny sarivongana ireny ianao.",
        "18": "Ary nalainao ny akanjonao misy peta-kofehy ka nampanaovinao an\u2019ireny. Natolotrao an\u2019ireny ny menaka sy ny emboka manitra tokony ho ahy.",
        "19": "Natolotrao an\u2019ireny mba hanome fofona mahafinaritra koa ny mofo nomeko anao, dia mofo vita amin\u2019ny lafarinina tsara toto sy menaka ary tantely nomeko hohaninao. Izany mihitsy no nitranga\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.\u201d",
        "20": "\u201c\u2018Dia nalainao ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy izay naterakao tamiko, ka nataonao sorona ho an\u2019ireny sampy ireny. Tsy efa be ve izay fivarotan-tena nataonao izay?",
        "21": "Novonoinao ny zanako, dia nataonao sorona sy nodoranao tao anaty afo.",
        "22": "Rehefa nanao an\u2019ireny zavatra maharikoriko fanaonao rehetra ireny ianao sady nivaro-tena, dia tsy mba nahatsiaro ny andron\u2019ny fahazazanao, tamin\u2019ianao nitanjaka sy niboridana. Nitsipatsipaka sady nihosin-dra ianao tamin\u2019izany.",
        "23": "Loza! Hahita loza ianao!\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, \u2018satria nahavita an\u2019ireny zava-dratsy rehetra ireny.",
        "24": "Nanamboatra dongon-tany ho anao ianao, sady nanao toerana avo teny amin\u2019ny tany malalaka rehetra teny.",
        "25": "Nanorina toerana avo teny amin\u2019ny toerana mora tazana indrindra teny amoron-dalana rehetra teny, ianao. Dia nataonao lasa zavatra maharikoriko ny hatsaran-tarehinao, satria nivaro-tena tamin\u2019izao mpandalo rehetra izao ianao, ary vao\u00a0mainka nanaram-po nivaro-tena.",
        "26": "Nivaro-tena tamin\u2019ireo zanakalahin\u2019i Ejipta ianao, dia tamin\u2019ireo lehilahy eny akaikinao izay efa may mafy hanao firaisana. Dia nampahatezitra ahy ianao satria nanaram-po nivaro-tena.",
        "27": "Koa hatsotrako hamely anao ny tanako, ka hahenako ny anjara sakafonao. Havelako hanao izay tiany hatao aminao ireo vehivavy mankahala anao, dia ireo zanakavavin\u2019ny Filistinina, izay rikoriko noho ny fitondran-tenanao mamoafady.",
        "28": "\u201c\u2018Nivaro-tena tamin\u2019ny zanakalahin\u2019i Asyria ianao avy eo, satria tsy nety afa-po. Na dia efa nivaro-tena tamin\u2019ireny aza ianao, dia mbola tsy afa-po ihany.",
        "29": "Vao mainka \u00e0ry ianao nivaro-tena tany amin\u2019ny tanin\u2019ny mpivarotra sy tamin\u2019ny Kaldeanina, nefa mbola tsy afa-po ihany.",
        "30": "Tena nalemy ny fonao\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, \u2018tamin\u2019ianao nanao an\u2019izany rehetra izany, hoatran\u2019ny mpivaro-tena tsy mahalala menatra.",
        "31": "Tsy mba hoatran\u2019ny mpivaro-tena rehetra ianao satria tsy nety nandray karama, tamin\u2019ianao nanamboatra dongon-tany teny amin\u2019ny toerana mora tazana indrindra teny amoron-dalana rehetra teny, sady nanao toerana avo teny amin\u2019ny tany malalaka rehetra teny.",
        "32": "Vehivavy mpanitsakitsa-bady ianao, ary olona tsy fantatrao no iarahanao fa tsy ny vadinao.",
        "33": "Ny mpivaro-tena rehetra dia omen\u2019ny olona fanomezana. Ianao indray anefa no manome fanomezana ho an\u2019izay rehetra may mafy hanao firaisana aminao. Omenao tsolotra izy ireo, mba hankanesany ao aminao avy eny amin\u2019ny manodidina rehetra eny, dia hivaro-tena aminy ianao.",
        "34": "Tsy hoatran\u2019ny vehivavy mpivaro-tena hafa ianao. Tsy misy mpivaro-tena manao hoatran\u2019ny fanaonao mihitsy! Ianao indray no manome karama fa tsy omena karama. Tsy hoatran\u2019ny ataon\u2019ny hafa mihitsy ny fanaonao.\u2019",
        "35": "\u201cHenoy \u00e0ry ny tenin\u2019i Jehovah, ry\u00a0mpivaro-tena\u00a0\u00f4!",
        "36": "Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u2018Efa may mafy hanao firaisana ianao, ary nahariharinao ny fitanjahanao rehefa nivaro-tena tamin\u2019ireo lehilahy niarahanao ianao, sady nivaro-tena tamin\u2019ireny sampinao maharikoriko rehetra ireny. Nataonao sorona ho an\u2019ireny sampy ireny mihitsy aza ny ran\u2019ny zanakao.",
        "37": "Angoniko daholo \u00e0ry ny lehilahy niarahanao izay nomenao fahafinaretana, izany hoe izay rehetra tianao sy nankahalainao. Hangoniko avy eny amin\u2019ny manodidina rehetra eny izy ireo mba hanohitra anao. Dia haharihariko amin\u2019izy ireo ny fitanjahanao, ka ho hitany hoe mitanjaka tanteraka ianao.",
        "38": "\u201c\u2018Hofaiziko ianao, ka hampihariko aminao ny didim-pitsarana sahaza ny vehivavy mpanitsakitsa-bady sy mpandatsa-dra. Dia halatsaka ny ranao, satria tezitra\u00a0be aminao aho sady saro-piaro.",
        "39": "Hatolotro eo am-pelatanan\u2019izy ireo koa ianao, dia horavany ny dongon-tany namboarinao, ary harodana ny toerana avo nataonao. Hendahany ny fitafianao sady ho lasany ny firavakao tsara tarehy, ary havelany mitanjaka sy miboridana ianao.",
        "40": "Hamory vahoaka hamely anao izy ireo, ka hitora-bato anao sy hamono anao amin\u2019ny sabatra.",
        "41": "Handoro ny tranonao izy ireo ka hampihatra didim-pitsarana aminao, eo imason\u2019ny vehivavy be\u00a0dia be. Tsy havelako hivaro-tena intsony koa ianao, ka tsy hanome karama intsony.",
        "42": "Dia ho afaka ny hatezerako ka tsy ho tezitra aminao intsony aho. Ho tony koa aho ka tsy ho sosotra intsony.\u2019",
        "43": "\u201c\u2018Tsy mba nahatsiaro ny andron\u2019ny fahatanoranao ianao, sady nampahatezitra ahy tamin\u2019ireny zavatra rehetra nataonao ireny. Koa havaliko aminao ny nataonao\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony. \u2018Dia tsy hanana fitondran-tena mamoafady intsony ianao, sady tsy hanao an\u2019ireny zavatra maharikoriko rehetra fanaonao ireny intsony.",
        "44": "\u201c\u2018Hampiharina aminao izao fitenin\u2019ny mpampiasa ohabolana izao: \u201cManahaka an-dreniny mihitsy ilay zanany vavy!\u201d",
        "45": "Tena zanaky ny reninao mihitsy ianao. Izy mantsy nanao tsinontsinona ny vady aman-janany. Ary rahavavin\u2019ny rahavavinao tokoa ianao, satria ry\u00a0zareo nanao tsinontsinona ny vady aman-janany. Hetita ny reninareo, ary Amorita ny rainareo.\u2019\u201d",
        "46": "\u201c\u2018I Samaria no zokinao vavy, ary eo avaratrao izy sy ny zanany vavy no mipetraka. I Sodoma kosa no zandrinao vavy, ary eo atsimonao izy sy ny zanany vavy no mipetraka.",
        "47": "Nanao hoatran\u2019ny nataon\u2019izy ireo ianao, sady nanao ny fanaony maharikoriko. Tsy vitan\u2019izay anefa fa vetivety koa ianao dia nanao zava-dratsy mihoatra lavitra noho ny vitan\u2019izy ireo.",
        "48": "Raha mbola velona koa aho\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, \u2018na dia i Sodoma rahavavinao sy ny zanany vavy aza mbola tsy nahavita hoatran\u2019ny vitanao sy ny zanakao vavy.",
        "49": "Izao no fahadisoan\u2019i Sodoma rahavavinao: Nirehareha izy sy ny zanany vavy. Nanana sakafo be dia be izy ireo, ary nilamina\u00a0be sady tsy nanana ahiahy, nefa tsy mba nampiany ny olona mijaly sy ny mahantra.",
        "50": "Nanambony tena foana koa izy ireo, sady nanao zavatra maharikoriko teo imasoko foana. Dia hitako hoe tsy maintsy naringana izy ireo.",
        "51": "\u201c\u2018Na i Samaria aza tsy nahavita ny antsasaky ny fahotana be dia be vitanao. Nataonao betsaka noho ny zavatra maharikoriko nataony ny nataonao. Dia ny rahavavinao indray no lasa hoatran\u2019ny hoe olo-marina, rehefa jerena ny fanao maharikoriko rehetra nataonao.",
        "52": "Ho afa-baraka ianao satria ny nataonao ihany no mampiseho hoe hoatran\u2019ny hoe mety ny nataon\u2019ny rahavavinao. Lasa marina kokoa noho ianao izy ireo, satria mbola maharikoriko kokoa noho ny nataony ny fahotana vitanao. Aleo \u00e0ry ianao ho menatra sy afa-baraka, satria lasa ny rahavavinao indray no hoatran\u2019ny hoe olo-marina, noho ny nataonao.\u2019",
        "53": "\u201c\u2018Dia hangoniko ny olona nataony babo, izany hoe izay babon\u2019i Sodoma sy ny zanany vavy, ary izay babon\u2019i Samaria sy ny zanany vavy. Hangoniko miaraka amin\u2019ireny koa ny olona nataonao babo,",
        "54": "mba ho afa-baraka ianao. Ho afa-baraka ianao satria nampionona an-dry zareo.",
        "55": "Ho lasa hoatran\u2019ny taloha indray ny rahavavinao, dia i Sodoma sy ny zanany vavy, ary Samaria sy ny zanany vavy. Ho lasa hoatran\u2019ny taloha koa ianao sy ny zanakao vavy.",
        "56": "Nihevitra ianao hoe tsy mendrika ny horesahina ny momba an\u2019i Sodoma rahavavinao, tamin\u2019ny fotoana nampirehareha anao.",
        "57": "Mbola tsy naharihary ny ratsy nataonao, tamin\u2019izay. Mandatsa anao izao ny zanakavavin\u2019i Syria sy ny firenena eny akaikiny, ary manesoeso anao ny zanakavavin\u2019i Filistinina, dia izay rehetra manodidina anao.",
        "58": "Hizaka ny vokatry ny fitondran-tenanao mamoafady sy ny fanaonao maharikoriko ianao\u2019, hoy i Jehovah.\u201d",
        "59": "\u201cFa izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u2018Havaliko aminao izay nataonao, satria nataonao tsinontsinona ilay fianianana, ka tsy nohajainao ilay fifanekena nataoko taminao.",
        "60": "Fa izaho kosa hahatsiaro an\u2019ilay fifanekena nataoko taminao tamin\u2019ny andron\u2019ny fahatanoranao. Ary hanao fifanekena maharitra mandrakizay aminao aho.",
        "61": "Dia hotsaroanao ny nataonao ka ho menatra ianao rehefa mandray an\u2019ireo rahavavinao, dia ny zokinao sy ny zandrinao. Homeko anao ho zanakao vavy izy ireo, nefa tsy noho ilay fifanekena natao taminao.\u2019",
        "62": "\u201c\u2018Izaho mihitsy no hanao fifanekena aminao. Dia tsy maintsy ho fantatrao fa izaho no Jehovah.",
        "63": "Ary hahatsiaro ianao dia ho menatra loatra sy ho afa-baraka ka tsy ho sahy hanoka-bava akory, rehefa mandrakotra ny fahotanao aho na dia teo aza ireny zavatra rehetra nataonao ireny\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.\u201d"
    },
    "17": {
        "1": "Dia niteny tamiko indray i Jehovah hoe:",
        "2": "\u201cRy\u00a0zanak\u2019olona, manaova ankamantatra, na fanoharana, amin\u2019ny taranak\u2019Israely.",
        "3": "Lazao hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u201cNisy voromahery lehibe iray nanana elatra lehibe. Lava\u00a0be ny volon\u2019elany, ary rakotra volo miloko isan-karazany ilay voromahery. Tonga tany Lib\u00e0na ilay izy ka nalainy ny laingon\u2019ny hazo sedera.",
        "4": "Dia notapahiny ny tendron\u2019ny rantsany mbola tanora, ka nentiny tany amin\u2019ny tanin\u2019ny mpivarotra, dia namboleny tao amin\u2019ny tan\u00e0nan\u2019ny mpivarotra.",
        "5": "Nalainy koa ny voa sasany tao amin\u2019ilay tany, ka namboleny teo amin\u2019ny saha lonaka. Dia namboleny hoatran\u2019ny hazomalahelo teo amin\u2019ny toerana azon-drano tsara ilay izy.",
        "6": "Nitsimoka \u00e0ry ilay voa, ka lasa voaloboka ivaiva sady misandrahaka. Nitodika nankany anatiny ny raviny, ary naniry tao ambaniny ihany ny fakany. Dia lasa voaloboka ilay izy, ka nitsimoka sy nandrantsana.",
        "7": "\u201c\u2018\u201cAry nisy voromahery lehibe hafa koa nanana elatra lehibe, ary ngezabe ny volon\u2019elany. Dia maika er\u1ef3 ilay voaloboka nampisandrahaka ny fakany ho any amin\u2019io voromahery io, avy teo amin\u2019ilay zaridaina nambolena azy. Nalefany nankany amin\u2019ilay voromahery koa ny raviny mba hotondrahany.",
        "8": "Efa mba nambolena teo amin\u2019ny tany azon-drano tsara anefa ilay izy, mba hisy sampany sy hamoa ka ho lasa voaloboka lehibe.\u201d\u2019",
        "9": "\u201cLazao hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u201cHo vanona ihany ve izy? Dia tsy hisy hanongotra ve ny fakany? Tsy havelany ho lo ve ny voany, ary havelany halazo ny tsimoka eo aminy? Ho maina\u00a0be izy, ka tsy hila sandry matanjaka na olona be dia be hanongotra azy hatramin\u2019ny fakany.",
        "10": "Ho vanona ihany ve izy na dia afindra aza? Tsy halazo tanteraka ve izy rehefa tsofin\u2019ny rivotra avy any atsinanana? Halazo eo amin\u2019ilay zaridaina naniriany ihany izy.\u201d\u2019\u201d",
        "11": "Dia niteny tamiko indray i Jehovah hoe:",
        "12": "\u201cLazao amin\u2019 io taranaka mpikomy io, azafady, hoe: \u2018Tsy azonareo ve ny dikan\u2019izany?\u2019 Koa lazao hoe: \u2018Tonga tany Jerosalema ny mpanjakan\u2019i Babylona, ary nalainy ny mpanjaka sy ny andriana tao ka nentiny niaraka taminy tany Babylona.",
        "13": "Naka iray tamin\u2019ny taranaky ny mpanjaka koa izy, ka nanao fifanekena taminy ary nampanao fianianana azy. Dia nentiny koa ny olona ambony tao amin\u2019ilay tany,",
        "14": "amin\u2019izay dia haetry ilay fanjakana ka tsy ho tafarina intsony. Rehefa manaja an\u2019ilay fifanekena nataony ihany anefa ny vahoaka vao haharitra ilay fanjakana.",
        "15": "Nikomy taminy anefa ilay mpanjaka tamin\u2019ny farany ka naniraka olona ho any Ejipta, satria te hahazo soavaly sy tafika lehibe avy any. Dia hahomby ve izy? Dia tsy ho voasazy ve ilay manao an\u2019izany? Raha tsy manaja fifanekena ve izy dia hanantena hoe ho afaka handositra?\u2019",
        "16": "\u201c\u2018\u201cRaha mbola velona koa aho\u201d, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, \u201cdia ho faty any Babylona izy, dia any amin\u2019ny tanin\u2019ilay mpanjaka nanao azy ho mpanjaka. Nanao fianianana taminy mantsy izy nefa nataony tsinontsinona izany, ary nanao fifanekena izy ireo nefa tsy nohajainy izany.",
        "17": "Tsy hahavonjy azy amin\u2019ny ady anefa ny tafika lehibe sy ny miaramila be dia be homen\u2019i Farao, rehefa atsangana ny dongon-tany ary aorina ny manda fanaovana fahirano mba handripahana olona be dia be.",
        "18": "Nanao tsinontsinona fianianana izy sady nivadika tamin\u2019ny fifanekena. Efa nampanantena izy fa hitana ny teniny, nefa mbola nanao an\u2019izany rehetra izany ihany. Koa tsy ho afa-mandositra izy.\u201d\u2019",
        "19": "\u201c\u2018Izao \u00e0ry no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u201cRaha mbola velona koa aho, dia hataoko mivaly aminy ny nataony. Nataony tsinontsinona mantsy ny fianianana nataony tamin\u2019ny anarako, ary tsy nohajainy ny fifanekena nataony teo anatrehako.",
        "20": "Koa hatsipiko eo aminy ny haratoko, ka ho tratran\u2019ilay harato famandrihana izy. Dia hoentiko any Babylona izy ka any izahay no hifandahatra eo amin\u2019ny fitsarana, satria nivadika tamiko izy.",
        "21": "Ho fatin\u2019ny sabatra daholo izay miaramilany afa-nandositra. Izay sisa tavela kosa hiparitaka any amin\u2019ny vazan-tany efatra. Dia tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho Jehovah no efa niteny.\u201d\u2019",
        "22": "\u201c\u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u201cHaka amin\u2019ireo laingony eny an-tampon\u2019ilay hazo sedera avo aho, dia hamboleko ilay izy. Hanapaka rantsana mbola tanora eny amin\u2019ny tendrony koa aho, dia hamboleko eny amin\u2019ny tendrombohitra avo sy manerinerina ilay izy.",
        "23": "Eny amin\u2019ny tendrombohitra avo any Israely ilay izy no hamboleko. Dia hitombo ny sampany, ary hamoa ilay izy ka ho lasa hazo sedera lehibe. Hipetraka eo ambanin\u2019izy io ny karazam-borona rehetra sady hialokaloka eo ambanin\u2019ny raviny.",
        "24": "Dia tsy maintsy ho fantatry ny hazo rehetra any an-tsaha fa izaho Jehovah no mampianjera ny hazo avo sy manandratra ny hazo iva. Ataoko malazo ny hazo mbola maitso, ary ataoko mamony indray ny hazo efa malazo. Izaho Jehovah no niteny sy nanatanteraka an\u2019izany.\u201d\u2019\u201d"
    },
    "18": {
        "1": "Dia niteny tamiko indray i Jehovah hoe:",
        "2": "\u201cFa inona koa no tianareo holazaina amin\u2019izao ohabolana fampiasanareo any amin\u2019ny tanin\u2019ny Israely izao: \u2018Ny rainy no nihinana voaloboka marikivy, nefa ny nifin\u2019ny zanany no madilo\u2019?",
        "3": "\u201c\u2018Raha mbola velona koa aho\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, \u2018dia tsy hampiasa an\u2019izany fitenenana izany intsony ianareo, any Israely.",
        "4": "Fa ahy ny aina rehetra. Ahy ny ain\u2019ny ray, dia hoatr\u2019izany koa ny ain\u2019ny zanaka. Izay olona manota no ho faty.",
        "5": "\u201c\u2018Andeha hatao hoe misy olona iray manao ny tsara, ka manao ny rariny sy ny hitsiny.",
        "6": "Tsy mihinana sorona aterina ho an\u2019ny sampy eny an-tendrombohitra izy, na miandrandra an\u2019ireo sampy maharikoriko tompoin\u2019ny taranak\u2019Israely. Tsy mandoto vadin\u2019olona izy, na manao firaisana amin\u2019ny vehivavy tonga fotoana.",
        "7": "Tsy mampijaly olona izy, fa mamerina ny antoka nomen\u2019izay nitrosa taminy. Tsy maka an-keriny fananan\u2019olona izy, fa manome ny sakafony ho an\u2019ny noana, sady manome fitafiana ho an\u2019izay mitanjaka.",
        "8": "Tsy maka zanabola izy na maka tombony be rehefa mampindram-bola, ary tsy mba manao ny tsy rariny mihitsy. Mampihatra ny rariny izy rehefa misy olona roa mifampitory.",
        "9": "Manaraka ny lal\u00e0ko sy ny didim-pitsarako foana izy satria tsy te hivadika. Manao ny tsara izany olona izany, ka azo antoka fa ho velona\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.",
        "10": "\u201c\u2018Fa andeha hatao hoe manan-janakalahy izy ary mpangalatra ilay zanany na mpamono olona, na manao zavatra mitovitovy amin\u2019ny iray amin\u2019ireo,",
        "11": "nefa izy tsy mba nanao na dia ny iray amin\u2019ireo aza, fa ilay zanany kosa mihinana sorona aterina ho an\u2019ny sampy eny an-tendrombohitra, sady mandoto vadin\u2019olona,",
        "12": "mampijaly ny sahirana sy ny mahantra, maka an-keriny fananan\u2019olona, tsy mamerina antoka, miandrandra an\u2019ireo sampy maharikoriko, zatra manao zavatra maharikoriko,",
        "13": "maka tombony be sady maka zanabola rehefa mampindram-bola. Raha izany, dia ho faty ilay zanany. Tsy maintsy hovonoina ho faty izy, satria nanao an\u2019izany zavatra maharikoriko rehetra izany. Izy ihany no ho tompon\u2019andraikitra amin\u2019ny fahafatesany.",
        "14": "\u201c\u2018Fa andeha indray hatao hoe misy ray manan-janakalahy, dia hitan\u2019ilay zanany daholo ny fahotana ataon\u2019ilay rainy, fa izy kosa tsy mba manao an\u2019izany na dia hitany aza izany.",
        "15": "Tsy mihinana sorona aterina ho an\u2019ny sampy eny an-tendrombohitra izy, na miandrandra an\u2019ireo sampy maharikoriko tompoin\u2019ny taranak\u2019Israely, na mandoto vadin\u2019olona,",
        "16": "na mampijaly olona, na mitazona an\u2019izay antoka apetraka any aminy, na maka an-keriny fananan\u2019olona. Manome ny sakafony ho an\u2019ny noana izy, sady manome fitafiana ho an\u2019izay mitanjaka.",
        "17": "Tsy mba mampijaly ny mahantra izy, ary tsy maka tombony be na zanabola rehefa mampindram-bola, fa manaraka tsara ny didim-pitsarako sy ny lal\u00e0ko. Dia tsy ho faty noho ny fahadisoan\u2019ny rainy izany lehilahy izany, fa azo antoka hoe ho velona.",
        "18": "Fa ilay rainy kosa ho faty noho ny fahadisoany, satria nanambaka olona izy sady naka an-keriny ny fananan\u2019ny rahalahiny, ary nanao izay ratsy teo amin\u2019ny fireneny.",
        "19": "\u201c\u2018Hiteny anefa ianareo hoe: \u201cFa maninona kosa ny zanaka no tsy hizaka ny vokatry ny fahadisoan\u2019ny rainy?\u201d Satria manao ny rariny sy manao ny tsara ilay zanaka, sady manaraka ny lal\u00e0ko rehetra foana, dia azo antoka hoe ho velona.",
        "20": "Fa izay olona manota no ho faty. Tsy hizaka ny vokatry ny fahadisoan\u2019ny rainy ny zanaka, ary tsy hizaka ny vokatry ny fahadisoan\u2019ny zanaka ny rainy. Izay manao ny tsara ihany no hahazo valisoa noho ny tsara nataony, ary izay ratsy fanahy ihany no ho voasazy noho ny ratsy nataony.",
        "21": "\u201c\u2018Fa raha miala amin\u2019ny fahotana rehetra nataony ny ratsy fanahy, ka manaraka ny lal\u00e0ko sady manao ny rariny sy ny hitsiny, dia azo antoka hoe ho velona izy fa tsy ho faty.",
        "22": "Tsy hosazina izy na inona na inona fahadisoana nataony. Ho velona izy satria manao ny tsara.\u2019",
        "23": "\u201c\u2018Angaha sitrako ny hahafatesan\u2019ny ratsy fanahy?\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony. \u2018Tsy satriko aza ve izy mba miala amin\u2019ny ratsy fanaony dia ho velona?\u2019",
        "24": "\u201c\u2018Raha tsy manao ny tsara intsony anefa ny olo-marina fa lasa manao ratsy, ka manao ny zava-maharikoriko rehetra fanaon\u2019ny ratsy fanahy, dia mbola ho velona ihany ve izy? Tsy hisy hotsaroana intsony ny zavatra tsara rehetra nataony. Ho faty izy satria nivadika sy nanota.",
        "25": "\u201c\u2018Hiteny anefa ianareo hoe: \u201cTsy rariny ny ataon\u2019i Jehovah!\u201d Mba henoy aho, azafady, ry\u00a0taranak\u2019Israely\u00a0\u00f4! Ny zavatra ataoko ve no tsy rariny? Tsy ny zavatra ataonareo ve no tsy rariny?",
        "26": "\u201c\u2018Raha tsy manao ny tsara intsony ny olo-marina fa lasa manao ratsy, dia ho faty noho ny ratsy nataony ihany izy.",
        "27": "\u201c\u2018Ary raha miala amin\u2019ny ratsy fanaony ny ratsy fanahy, ka lasa manao ny rariny sy ny hitsiny, dia hamonjy ny ainy izy.",
        "28": "Raha tonga saina izy ka miala amin\u2019ny fahadisoana rehetra vitany, dia azo antoka hoe ho velona izy fa tsy ho faty.",
        "29": "\u201c\u2018Hiteny anefa ny taranak\u2019Israely hoe: \u201cTsy rariny ny ataon\u2019i Jehovah!\u201d Ny zavatra ataoko tokoa ve no tsy rariny, ry\u00a0taranak\u2019Israely\u00a0\u00f4? Tsy ny zavatra ataonareo ve no tsy rariny?\u2019",
        "30": "\u201c\u2018Hotsaraiko arakaraka izay nataonareo \u00e0ry ianareo, ry\u00a0taranak\u2019Israely\u00a0\u00f4!\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony. \u2018Koa aza manao ratsy intsony. Aza atao intsony mihitsy ny fahadisoana rehetra nataonareo, mba tsy ho lasa vato mahatafintohina anareo ireny, ka hahatonga anareo hanao fahadisoana dia ho voasazy.",
        "31": "Esory aminareo ny fahadisoana rehetra vitanareo, ka havaozy ny fonareo sy ny toe-tsainareo. Fa nahoana ianareo no ho faty, ry\u00a0taranak\u2019Israely\u00a0\u00f4?\u2019",
        "32": "\u201c\u2018Tsy sitrako mihitsy ny hahafatesan\u2019ny olona, na iza izany na iza\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony. \u2018Koa aza manao ratsy intsony mba ho velona ianareo!\u2019\u201d"
    },
    "19": {
        "1": "\u201cManaova hira fisaonana an\u2019ireo mpiadidy eo amin\u2019ny Israely,",
        "2": "ka lazao hoe: \u2018Ny reninareo ve? Liona vavy niaraka tamin\u2019ny liona lahy maromaro izy. Nitsilailay niaraka tamin\u2019ny liona tanora matanjaka izy, sady nitaiza ny zanany.",
        "3": "Notezainy ny iray tamin\u2019ny zanany, ka lasa liona tanora matanjaka. Lasa nahay namiravira remby izy\u00a0io, Ary nihinana olona mihitsy aza.",
        "4": "Henon\u2019ireo firenena ny momba azy, dia nofandrihan\u2019izy ireo tao anatin\u2019ny lavaka nataon\u2019izy ireo izy, Ka notaritiny tamin\u2019ny faraingo nankany Ejipta.",
        "5": "Niandry azy hiverina foana ilay liona vavy, nefa hitany hoe tsy nisy fanantenana intsony. Dia nalainy indray ny zanany iray, ka notezainy ho lasa liona tanora matanjaka.",
        "6": "Nandehandeha niaraka tamin\u2019ny liona hafa koa ilay izy, dia lasa liona tanora matanjaka. Lasa nahay namiravira remby izy, ary nihinana olona mihitsy aza.",
        "7": "Nijaikojaiko nitady haza tany amin\u2019ny tilikambo voaro mafy tao an-tan\u00e0nan\u2019izy ireo izy, ka nataony fongana ny tao amin\u2019ireny tan\u00e0na ireny. Lasa heno eran\u2019ilay tany tsy misy mponina \u00e0ry izy rehefa nierona.",
        "8": "Tonga anefa ny firenena avy any amin\u2019ireo faritany manodidina, ka nanipy harato teo aminy, Dia voafandrika tao amin\u2019ny lavaka nataon\u2019izy ireo izy.",
        "9": "Notaritin\u2019izy ireo tamin\u2019ny faraingo izy ka nataony tao anaty vata makarakara, dia nentiny tany amin\u2019ny mpanjakan\u2019i Babylona. Nogadrain\u2019izy ireo izy tany, mba tsy ho heno eny amin\u2019ny tendrombohitr\u2019i Israely intsony ny feony.",
        "10": "Ny reninareo dia hoatran\u2019ny voaloboka nambolena teo amoron-drano. Namoa ilay izy ary be dia be ny rantsany, satria azon-drano tsara ilay izy.",
        "11": "Lasa mafy be ny sampany, ka azo nanaovana tehim-panjakana. Nihanitombo ilay voaloboka dia lasa avo\u00a0be noho ny hazo hafa. Lasa tazana tsara ilay izy satria avo, sady be\u00a0dia be ny raviny sy ny rantsany.",
        "12": "Nongotana tamin-katezerana anefa izy dia natsipy tamin\u2019ny tany. Dia mainan\u2019ny rivotra avy any atsinanana ny voany. Notapahina ny sampany matanjaka, ka lasa maina dia levon\u2019ny afo.",
        "13": "Ambolena any an-tany efitra izy izao, Dia any amin\u2019ny tany ngazana sy karakaina.",
        "14": "Niparitaka avy tamin\u2019ny sampany ny afo, ka nandevona ny rantsany sy ny voany. Dia tsy nahitana sampany matanjaka na tehim-panjakana intsony izy. \u201c\u2018Hira fisaonana izany, ary mbola ho hira fisaonana ihany.\u2019\u201d"
    },
    "20": {
        "1": "Tamin\u2019ny andro fahafolon\u2019ny volana fahadimy, tamin\u2019ny taona fahafito, dia nisy anti-panahin\u2019ny Israely tonga hanontany an\u2019i Jehovah, ka nipetraka teo anoloako.",
        "2": "Dia niteny tamiko i Jehovah hoe:",
        "3": "\u201cRy\u00a0zanak\u2019olona, teneno amin\u2019ireo anti-panahin\u2019ny Israely ireo, hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u201cHanontany ahy ve no nahatongavanareo? \u2018Raha mbola velona koa aho\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, \u2018dia tsy hamaly ny fanontanianareo aho.\u2019\u201d\u2019",
        "4": "\u201cVonona hitsara azy ireo ve ianao? Vonona hitsara azy ireo ve ianao, ry\u00a0zanak\u2019olona? Ampahafantaro azy ny zavatra maharikoriko nataon\u2019ny razambeny.",
        "5": "Lazao aminy hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u201cTamin\u2019ilay andro nifidianako ny Israely, dia nianiana tamin\u2019ny taranak\u2019i Jakoba koa aho, ary nampahafantatra ny tenako tamin\u2019izy ireo tany Ejipta. Nianiana taminy aho hoe: \u2018Izaho no Jehovah Andriamanitrareo!\u2019",
        "6": "Tamin\u2019izay andro izay, dia nianiana aho fa hamoaka azy avy any Ejipta, mba hitondra azy any amin\u2019ilay tany efa nofidiko homena azy ireo, dia tany tondra-dronono sy tantely. Io no tsara tarehy indrindra amin\u2019ny tany rehetra.",
        "7": "Hoy ihany aho taminy: \u2018Samia manary ny zavatra maharikoriko tompoinareo. Aza mandoto tena amin\u2019ireo sampy maharikorikon\u2019i Ejipta. Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.\u2019",
        "8": "\u201c\u2018\u201cNikomy tamiko anefa izy ireo sady tsy nety nihaino ahy. Tsy nariany ny zavatra maharikoriko notompoiny, ary tsy nafoiny ireo sampy maharikorikon\u2019i Ejipta. Nilaza \u00e0ry aho fa ho tezitra\u00a0be aminy, ary hanamparako ny hatezerako izy ireo, any Ejipta.",
        "9": "Nanao an\u2019izany aho noho ny anarako, mba tsy hozimbazimbaina eo amin\u2019ireo firenena nisy azy ireo ny anarako. Nampahafantatra ny tenako tamin\u2019izy ireo teo imason\u2019ireny firenena ireny mantsy aho, rehefa nitondra azy ireo nivoaka avy tany Ejipta.",
        "10": "Koa navoakako avy tany Ejipta izy ireo, dia nentiko tany an-tany efitra.",
        "11": "\u201c\u2018\u201cDia nomeko azy ireo ny lal\u00e0ko ary nampahafantariko azy ny didim-pitsarako, mba ho velona foana izay olona manaraka an\u2019izany.",
        "12": "Nomeko azy ireo koa ny sabatako ho famantarana eo amiko sy amin\u2019izy ireo, mba ho fantany fa izaho Jehovah no manamasina azy.",
        "13": "\u201c\u2018\u201cNikomy tamiko anefa ny taranak\u2019Israely, tany an-tany efitra. Tsy narahin\u2019izy ireo ny lal\u00e0ko, ary nolaviny ny didim-pitsarako, nefa ho velona izay olona manaraka an\u2019izany. Nozimbazimbain\u2019izy ireo tanteraka koa ny sabatako. Nilaza \u00e0ry aho fa hanamparako ny hatezerako izy ireo, ka haripako tanteraka any an-tany efitra.",
        "14": "Nanao an\u2019izany aho noho ny anarako, mba tsy hozimbazimbaina eo amin\u2019ireo firenena ny anarako, dia ireo firenena nahita ny namoahako azy ireo avy tany Ejipta.",
        "15": "Nianiana tamin\u2019izy ireo koa aho tany an-tany efitra fa tsy hitondra azy any amin\u2019ilay tany nomeko azy, dia ilay tany tondra-dronono sy tantely sady tsara tarehy indrindra amin\u2019ny tany rehetra.",
        "16": "Nolavin\u2019izy ireo mantsy ny didim-pitsarako, tsy narahiny ny lal\u00e0ko, ary nozimbazimbainy ny sabatako, noho izy ireo niraiki-po tamin\u2019ireo sampiny maharikoriko.",
        "17": "\u201c\u2018\u201cNiantra azy ireo anefa aho, ka tsy naringako izy ireo ary tsy naripako tany an-tany efitra.",
        "18": "Hoy aho tamin\u2019ny taranany tany an-tany efitra: \u2018Aza manaraka ny fitsipiky ny razambenareo na mankat\u00f2 ny didim-pitsarany, ary aza mandoto tena amin\u2019ireo sampiny maharikoriko.",
        "19": "Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. Araho ny lal\u00e0ko ary ankatoavy ny didim-pitsarako, dia ampiharo.",
        "20": "Hamasino ny sabatako dia ho famantarana eo amiko sy aminareo izany, mba ho fantatrareo fa izaho no Jehovah Andriamanitrareo.\u2019",
        "21": "\u201c\u2018\u201cNikomy tamiko anefa ny taranany. Tsy narahin\u2019izy ireo ny lal\u00e0ko ary tsy nankatoaviny sy tsy nampihariny ny didim-pitsarako, nefa ho velona izay olona manaraka an\u2019izany. Nozimbazimbain\u2019izy ireo koa ny sabatako. Nilaza \u00e0ry aho fa ho tezitra\u00a0be aminy, ary hanamparako ny hatezerako izy ireo, any an-tany efitra.",
        "22": "Nifehy tena anefa aho, ary nanao zavatra aho noho ny anarako mba tsy hozimbazimbaina eo amin\u2019ireo firenena izy io, dia ireo firenena nahita ny namoahako azy ireo.",
        "23": "Nianiana tamin\u2019izy ireo koa aho tany an-tany efitra fa haparitako any amin\u2019ireo firenena izy ireo, ary haeliko any amin\u2019ny tany samihafa.",
        "24": "Tsy nampihatra ny didim-pitsarako mantsy izy ireo, fa nandika ny lal\u00e0ko sy nanazimbazimba ny sabatako, ary nanompo an\u2019ireo sampy maharikoriko notompoin\u2019ny razambeny.",
        "25": "Navelako hanaraka fitsipika tsy mahasoa koa izy ireo, ary navelako hankat\u00f2 didim-pitsarana izay tsy hahavelona azy.",
        "26": "Navelako handoto azy ireo ny sorona nataony, rehefa nodorany tao anaty afo daholo ny zanany voalohany. Amin\u2019izay dia haringako izy ireo, ka ho fantany fa izaho no Jehovah.\u201d\u2019",
        "27": "\u201cKoa miresaha amin\u2019ny taranak\u2019Israely, ry\u00a0zanak\u2019olona, ka lazao hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u201cNanevateva ahy hoatr\u2019izany koa ny razambenareo rehefa nivadika tamiko.",
        "28": "Nentiko tany amin\u2019ilay tany efa nianianako homena azy izy ireo. Rehefa nahita ny havoana sy ny hazo be\u00a0ravina rehetra anefa izy ireo, dia nanao sorona sy fanatitra mampahatezitra ahy. Teny izy ireo no nanao sorona mba ho hanitra mahafinaritra, sy nandraraka fanatitra zava-pisotro.",
        "29": "Dia hoy aho taminy: \u2018Fa maninona ianareo no mankany amin\u2019io toerana avo io?\u2019\u201d\u2019\u2014Antsoina hoe Toerana Avo ilay izy hatramin\u2019izao.\u2014",
        "30": "\u201cLazao amin\u2019ny taranak\u2019Israely hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u201cMandoto tena hoatran\u2019ny nataon\u2019ny razambenareo koa angaha ianareo, ka manompo an\u2019ireo sampy maharikoriko notompoiny mba hivaro-tena amin\u2019ireny?",
        "31": "Mbola mandoto tena ihany angaha ianareo hatramin\u2019izao, ka manao sorona ho an\u2019ny sampinareo maharikoriko rehetra sy mandoro ny zanakareo ao anaty afo? Koa izaho ve dia hamaly ny fanontanianareo, ry\u00a0taranak\u2019Israely\u00a0\u00f4?\u201d\u2019 \u201c\u2018Raha mbola velona koa aho\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, \u2018dia tsy hamaly ny fanontanianareo aho.",
        "32": "Tsy ho tanteraka mihitsy koa ilay eritreritrareo hoe: \u201cAndao isika hanao hoatran\u2019ny ataon\u2019ireo firenena, hoatran\u2019ny ataon\u2019ny vahoaka any amin\u2019ny tany samihafa, izay manompo vato aman-kazo.\u201d\u2019\u201d",
        "33": "\u201c\u2018Raha mbola velona koa aho\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, \u2018dia hanjaka aminareo aho. Dia hampiasa ny tanako matanjaka sy ny sandriko mahery aho mba hanafaizana anareo, ary hanamparako ny hatezerako ianareo.",
        "34": "Havoakako avy any amin\u2019ireo firenena ianareo, ary hangoniko avy any amin\u2019ireo tany nanaparitahana anareo. Hampiasa ny tanako matanjaka sy ny sandriko mahery aho amin\u2019izay, sady hanampatra ny hatezerako.",
        "35": "Dia hoentiko any amin\u2019ny tany efitr\u2019ireo firenena ianareo, ka any isika no hifandahatra eo amin\u2019ny fitsarana.",
        "36": "\u201c\u2018Hifandahatra aminareo eo amin\u2019ny fitsarana aho, hoatran\u2019ny nataoko tamin\u2019ny razambenareo tany an-tany efitr\u2019i Ejipta\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.",
        "37": "\u2018Hampandaloviko eo ambany tehin\u2019ny mpiandry ondry ianareo, ka hotereko hanaja an\u2019ilay fifanekena.",
        "38": "Hesoriko eo aminareo anefa ireo mpikomy sy izay mandika ny lal\u00e0ko. Fa havoakako avy any amin\u2019ny tany nivahiniany izy ireo, nefa tsy hiditra ao amin\u2019ny tanin\u2019ny Israely. Dia tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho no Jehovah.\u2019",
        "39": "\u201cIzao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony aminareo, ry\u00a0taranak\u2019Israely\u00a0\u00f4: \u2018Mandehana daholo manompo ny sampinareo maharikoriko. Aorian\u2019izay anefa, na dia tsy mihaino ahy aza ianareo, dia tsy ho afaka hanazimbazimba ny anarako masina intsony, amin\u2019ny sorona ataonareo sy ny sampinareo maharikoriko.\u2019",
        "40": "\u201c\u2018Fa eo amin\u2019ny tendrombohitro masina, eo amin\u2019ny tendrombohitra avo iray any Israely\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, \u2018no hanompoan\u2019ny taranak\u2019Israely manontolo ahy. Izy rehetra mihitsy no hanompo ahy any. Dia any aho no hankasitraka azy ireo. Any koa ianareo no hasaiko hitondra fanomezana sy hanome ny tsara indrindra amin\u2019ny fanatitra hatolotrareo ho ahy, dia ny zava-masina rehetra omenareo.",
        "41": "Satria hanitra mahafinaritra ny sorona ataonareo, dia hankasitraka anareo aho, rehefa avoakako avy any amin\u2019ireo firenena ianareo ka angoniko avy any amin\u2019ny tany nanaparitahana anareo. Dia hohamasinina eo aminareo aho, ary ho hitan\u2019ireo firenena izany.\u2019",
        "42": "\u201c\u2018Tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho no Jehovah, rehefa entiko any amin\u2019ny tanin\u2019ny Israely ianareo, dia any amin\u2019ilay tany nianianako homena ny razambenareo.",
        "43": "Any ianareo no hahatsiaro ny nataonareo sy ny zava-drehetra nataonareo handotoana ny tenanareo. Dia ho rikoriko ianareo noho ny zava-dratsy rehetra vitanareo.",
        "44": "Dia tsy maintsy ho fantatrareo, ry\u00a0taranak\u2019Israely\u00a0\u00f4, fa izaho no Jehovah rehefa manao an\u2019izany aminareo aho noho ny anarako, fa tsy mamaly anareo araka ny zava-dratsy nataonareo na ny fanao ratsinareo\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.\u201d",
        "45": "Niteny tamiko indray i Jehovah hoe:",
        "46": "\u201cRy\u00a0zanak\u2019olona, mitodiha any amin\u2019ny faritra atsimo ka mitenena amin\u2019izay any atsimo, ary maminania amin\u2019ny alan\u2019ny faritra atsimo.",
        "47": "Lazao amin\u2019ny ala any atsimo hoe: \u2018Henoy ny tenin\u2019i Jehovah. Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u201cHandrehitra afo eo aminareo aho, ka ho levon\u2019ny afo ny hazo rehetra mbola maitso sy ny hazo maina rehetra eo aminareo. Tsy hovonoina izany afo miredareda izany, ka ho may daholo ny tarehy rehetra, hatrany atsimo ka hatrany avaratra.",
        "48": "Dia ho hitan\u2019ny olona rehetra fa izaho Jehovah no nandrehitra an\u2019ilay afo, ka tsy hovonoina izany.\u201d\u2019\u201d",
        "49": "Ary hoy aho: \u201cJehovah Tompo Fara Tampony\u00a0\u00f4! Izao ange no lazain\u2019izy ireo momba ahy\u00a0e: \u2018Io ve izao tsy manao ankamantatra fotsiny?\u2019\u201d"
    },
    "21": {
        "1": "Dia niteny tamiko indray i Jehovah hoe:",
        "2": "\u201cRy zanak\u2019olona, mitodiha any Jerosalema, ary milaz\u00e0 teny fanamelohana an\u2019ireo toerana masina, dia maminania hoe hisy loza hanjo ny tanin\u2019ny Israely.",
        "3": "Lazao amin\u2019ny tanin\u2019ny Israely hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah: \u201cHiady aminao aho, ka hotsoahako avy ao anaty tranony ny sabatro. Dia samy haringako ny olo-marina sy ny ratsy fanahy eo aminao.",
        "4": "Dia havoaka avy ao anaty tranony ny sabatro, ka hasiany ny olona rehetra hatrany atsimo ka hatrany avaratra, satria haringako ny olo-marina sy ny ratsy fanahy eo aminao.",
        "5": "Dia tsy maintsy ho fantatry ny olona rehetra fa izaho Jehovah no nanatsoaka ny sabatro avy tao amin\u2019ny tranony, ka tsy hiverina ao intsony izy io.\u201d\u2019",
        "6": "\u201cRy zanak\u2019olona, misentoa amin\u2019ilay ianao mangovitra iny. Misentoa mafy amin\u2019alahelo\u00a0be, eo imason\u2019izy ireo.",
        "7": "Ary raha manontany anao izy ireo hoe: \u2018Fa maninona ianao no misento?\u2019, dia lazao hoe: \u2018Satria misy vaovao ratsy.\u2019 Fa tsy maintsy ho tonga izany, ka hitebiteby noho ny tahotra ny fon\u2019ny olona rehetra. Hiraviravy tanana sy ho kivy koa izy rehetra, ary hisy rano mitete eo amin\u2019ny lohalika rehetra. \u2018Tsy maintsy ho tonga izany sady tena hitranga\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.\u201d",
        "8": "Dia niteny tamiko indray i Jehovah hoe:",
        "9": "\u201cRy zanak\u2019olona, maminania hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah: \u201cMilaz\u00e0 hoe: \u2018Sabatra! Sabatra norangitina sady nokosehina hangirana.",
        "10": "Norangitina mba handripahana olona be dia be ilay sabatra. Nokosehina mba hanjelanjelatra hoatran\u2019ny tselatra ilay izy.\u2019\u201d\u2019\u201d \u201cTsy tokony ho faly ve isika?\u201d \u201c\u2018Holavin\u2019izy io ve ilay tehim-panjakan\u2019ny zanako, hoatran\u2019ny ataony amin\u2019ny hazo rehetra?",
        "11": "\u201c\u2018Nomena mba hokosehina hangirana ilay sabatra, dia hampiasaina hamonoana olona. Norangitina sy nokosehina hangirana ilay izy mba hatolotra an\u2019izay handringana.",
        "12": "\u201c\u2018Miantsoantsoa mafy sy midradradradr\u00e0, ry zanak\u2019olona, satria hamely ny vahoakako sy ny mpiadidy rehetra eo amin\u2019ny Israely ilay sabatra. Ho fatin\u2019ilay sabatra izy ireo sy ny vahoakako. Dia kapohy ny fenao ho fanehoana alahelo.",
        "13": "Efa natao ny fandinihana. Dia ahoana raha lavin\u2019ilay sabatra ilay tehim-panjakana? Tsy hisy intsony ilay izy\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.",
        "14": "\u201cAry ianao, ry zanak\u2019olona, maminania dia mitehafa, ary mitenena intelo hoe: \u2018Sabatra!\u2019 Sabatra mamono olona no manodidina azy ireo, dia sabatra mandripaka olona be dia be.",
        "15": "Hitebiteby noho ny tahotra ny fon\u2019izy ireo, ary ho betsaka no ho lavo eny am-bavahadin\u2019ny tan\u00e0nany. Handripaka amin\u2019ny sabatra aho. Manjelanjelatra hoatran\u2019ny tselatra ilay izy, sady norangitina mba handripahana olona!",
        "16": "Kapao ny eo ankavanana! Asio koa ny eo ankavia! Dia mandehana any amin\u2019izay tandrifin\u2019ny lelan-tsabatrao!",
        "17": "Hitehaka koa aho, dia ho afaka ny hatezerako. Izaho Jehovah no efa niteny.\u201d",
        "18": "Dia niteny tamiko indray i Jehovah hoe:",
        "19": "\u201cRy zanak\u2019olona, manorita lalana roa hisafidianan\u2019ny sabatry ny mpanjakan\u2019i Babylona. Hiainga avy any amin\u2019ny tany iray ireo lalana ireo, ary tokony hasiana marika eo amin\u2019ilay sampan-dalana mankany amin\u2019ny tan\u00e0na roa.",
        "20": "Sorito ny lalana iray hidiran\u2019ilay sabatra hamely an\u2019i Raba tan\u00e0nan\u2019ny Amonita, ary sorito koa ny lalana iray hidirany hamely an\u2019i Jerosalema, ilay tan\u00e0na voaro mafy any Joda.",
        "21": "Fa mijanona mba hanao sikidy eo amin\u2019ny sampanan-dalana ny mpanjakan\u2019i Babylona, satria eo no misampana ny lalana. Ahontsankontsany ireo zana-tsip\u00ecka. Anontaniany ny sampiny, ary dinihiny ny atin-kena.",
        "22": "Dia manondro an\u2019i Jerosalema ilay sikidy eny an-tanany ankavanana, ka hampiasa lohondry vy fandravana izy, hanome baiko ny miaramilany mba handripaka olona, hanao hiakan\u2019ady, hampiasa lohondry vy handrodanana vavahady, ary hanangana dongon-tany sy manda hanaovana fahirano.",
        "23": "Hihevitra anefa ireo nanao fianianana tamin\u2019izy ireny hoe lainga fotsiny izany sikidy izany. Izy anefa mahatsiaro ny fahadisoana nataon\u2019izy ireo ka hosamboriny izy ireo.",
        "24": "\u201cIzao \u00e0ry no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u2018Ianareo ihany no nahatonga ny olona hahatadidy ny fahadisoanareo, rehefa nataonareo nibaribary ny helokareo sady nataonareo niharihary ny fahotanareo tamin\u2019ny zavatra rehetra nataonareo. Tsaroan\u2019ny olona izao ianareo ka hoentina an-keriny.\u2019",
        "25": "\u201cTonga anefa ny andronao, ry ilay maratra mafy efa ho faty, ry ilay ratsy fanahy mpiadidy ny Israely. Tonga ilay fotoana hanasaziana farany anao.",
        "26": "Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u2018Esory ny fehilohan\u2019ny mpanjaka, ary tsoahy ny satroboninahitra. Efa hiova ny zava-drehetra. Ataovy misandratra ny olona ambany, dia ataovy mietry ny olona ambony.",
        "27": "Horavako, horavako, horavako izany, ka tsy ho lasan\u2019iza na iza mihitsy, mandra-pahatongan\u2019ilay manana zo ara-dal\u00e0na hahazo an\u2019izany. Dia homeko azy izany.\u2019",
        "28": "\u201cAry ianao, ry zanak\u2019olona, maminania hoe: \u2018Hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony momba ny Amonita sy ny teny manambanimbany nataon\u2019izy ireo.\u2019 Teneno hoe: \u2018Sabatra! Misy sabatra notsoahina mba handripahana olona. Nokosehina hangirana ilay izy mba hamonoana olona, sy mba hanjelanjelatra hoatran\u2019ny tselatra.",
        "29": "Hivangongo eny ambonin\u2019ny fatin\u2019ny ratsy fanahy ny fatin\u2019ny olona ao aminao, na dia teo aza ny fahitana sandoka sy faminaniana lainga avy amin\u2019ny sikidy natao momba anao. Efa tonga mantsy ny andro sy ny fotoana hanasaziana farany an\u2019ireny ratsy fanahy ireny.",
        "30": "Avereno ao anaty tranony ilay sabatra. Ary hotsaraiko ao amin\u2019ny toerana namoronana anao ianao, dia ao\u00a0amin\u2019ny tany niavianao.",
        "31": "Hanamparako ny hatezerako ianao. Dia hotsofiko handoro anao hoatran\u2019ny afo ny hatezerako, ka hataoko resin\u2019ny olona mahery setra ianao, dia olona tena mahay mandringana.",
        "32": "Ho lasa hoatran\u2019ny kitay ao anaty afo ianao. Handriaka eran\u2019ilay tany ny ranao, ka tsy hotsaroana intsony ianao, fa izaho Jehovah no efa niteny.\u2019\u201d"
    },
    "22": {
        "1": "Dia niteny tamiko indray i Jehovah hoe:",
        "2": "\u201cRy zanak\u2019olona, vonona hilaza didim-pitsarana momba an\u2019ilay tan\u00e0na mpandatsa-dra ve ianao, dia hampahafantatra azy ny zavatra maharikoriko rehetra nataony?",
        "3": "Izao lazaina: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u201cRy tan\u00e0na mpandatsa-dra, tonga ny fotoana hamaliana anao ry ilay manamboatra sampy maharikoriko mba handoto anao.",
        "4": "Meloka ianao fa nandatsa-dra, ary lasa maloto ianao fa nanao sampy maharikoriko. Nataonao tapitra haingana ny andronao, ary efa tonga koa ny taona hanasaziana anao. Hataoko afa-baraka eo amin\u2019ireo firenena \u00e0ry ianao, sady hesoesoin\u2019ny tany rehetra.",
        "5": "Hanesoeso anao na ny any lavitra na ny eny akaiky anao, ry ilay maloto anarana sady feno korontana!",
        "6": "Jereo fa samy manampatra fahefana mba handatsahan-dra ny mpiadidy ny Israely.",
        "7": "Maniratsira ray aman-dreny koa ny olona ao aminao. Ambakainy ny vahiny, ary ampijaliny ny kamboty ray sy ny mpitondratena.\u201d\u2019\u201d",
        "8": "\u201c\u2018Ataonao tsinontsinona ny toerako masina, ary zimbazimbainao ny sabatako.",
        "9": "Misy mpanendrikendrika mikendry ny handatsa-dra eo aminao. Mihinana sorona eny an-tendrombohitrao izy ireo, sady mamoafady ny fitondran-tenany.",
        "10": "Izao koa no hita ao aminao: Lotoin\u2019izy ireo ny fandrianan\u2019ny rainy. Aolany koa ny vehivavy tonga fotoana sady mbola maloto.",
        "11": "Misy lehilahy manao zavatra maharikoriko amin\u2019ny vadin\u2019ny namany, ao aminao. Misy indray mandoto ny vinantovaviny ka manao zavatra mamoafady aminy. Misy koa lehilahy manolana ny anabaviny, dia ny zanakavavin\u2019ny rainy ihany.",
        "12": "Mandray kolikoly ny olona ao aminao mba handatsahan-dra. Maka zanabola sy maka tombony ianao rehefa mampindram-bola. Alainao an-keriny koa ny volan\u2019ny namanao. Hadinonao tanteraka aho\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.",
        "13": "\u201c\u2018Mitehaka aho satria maharikoriko ahy ilay ianao maka tombony tsy ara-drariny, sady mandatsaka ran\u2019olona be dia be.",
        "14": "Mbola ho be\u00a0herim-po ihany ve ianao, ary mbola hatanjaka ihany ve ny tananao amin\u2019ny andro hamelezako anao? Izaho Jehovah no efa niteny, ka hanao zavatra aho.",
        "15": "Haparitako any amin\u2019ireo firenena ianao, ary haeliko any amin\u2019ny tany samy hafa. Hataoko mifarana hatreo ny fitondran-tena maloto fanaonao.",
        "16": "Dia hatao afa-baraka eo anatrehan\u2019ireo firenena ianao, ka tsy maintsy ho fantatrao fa izaho no Jehovah.\u2019\u201d",
        "17": "Niteny tamiko indray i Jehovah hoe:",
        "18": "\u201cRy zanak\u2019olona, lasa hoatran\u2019ny tain-drendrika tsy misy ilana azy ny taranak\u2019Israely amiko. Varahina sy firapotsy sy vy ary firamainty ao anaty fatana fandrendrehana daholo izy rehetra. Lasa taim-bolafotsy izy ireo.",
        "19": "\u201cIzao \u00e0ry no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u2018Hangoniko ao Jerosalema ianareo rehetra, satria efa lasa hoatran\u2019ny tain-drendrika tsisy ilana azy.",
        "20": "Angonina ho ao anaty fatana fandrendrehana daholo ny volafotsy sy varahina sy vy sy firamainty ary firapotsy, dia avy eo tsofina ny afo mba hampitsonika azy. Dia hoatr\u2019izany koa fa hangoniko daholo ianareo sady ho tezitra sy hisafoaka ihany aho, dia avy eo hotsofiko sy hataoko mitsonika.",
        "21": "Hangoniko ianareo dia hotsofiko handoro anareo hoatran\u2019ny afo ny hatezerako, ka hitsonika ao an-tan\u00e0nanareo ianareo.",
        "22": "Toy ny volafotsy mitsonika ao anaty fatana fandrendrehana, dia hitsonika ao an-tan\u00e0nanareo koa ianareo. Dia tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho Jehovah no nanampatra ny hatezerako taminareo.\u2019\u201d",
        "23": "Ary niteny tamiko indray i Jehovah hoe:",
        "24": "\u201cRy zanak\u2019olona, lazao aminy hoe: \u2018Tany tsy hodiovina ianao, ary tsy hisy orana hilatsaka eo aminao, amin\u2019ny andro hanamparako ny hatezerako.",
        "25": "Miray tetika ny mpaminany ao aminao, hoatran\u2019ny liona mierona sady mamiravira remby. Mihinana olona izy ireo, dia maka an-keriny harena sy zava-tsarobidy. Lasa be dia be ny vehivavy maty vady ao aminao noho ny nataon\u2019izy ireo.",
        "26": "Mandika ny lal\u00e0ko ny mpisorona ao aminao, sady manazimbazimba ny toerako masina foana. Tsy avahany amin\u2019ny zavatra tsy masina koa ny zavatra masina. Dia tsy mampahafantatra ny atao hoe maloto sy madio izy ireo. Tsy mety manaja ny sabatako izy ireo, ary zimbazimbainy aho.",
        "27": "Toy ny amboadia mamiravira remby ny andriana ao aminao, ka mandatsa-dra sy mamono olona mba hahazoana tombony tsy ara-drariny.",
        "28": "Manarontsarona ny zavatra ataony anefa ny mpaminany ao aminao, hoatran\u2019ny hoe manisy lalotra fotsy amin\u2019ny rindrina. Mahita fahitana sandoka izy ireo, sady maminany lainga avy amin\u2019ny sikidy, ka milaza hoe: \u201cIzao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony\u201d, nefa i Jehovah tsy niteny an\u2019izany akory.",
        "29": "Nanambaka olona ny vahoaka, sady naka an-keriny fananan\u2019olona. Nampijaliny ny sahirana sy ny mahantra, ary nambakainy ny vahiny tao aminao sady tsy mba nomeny rariny.\u2019",
        "30": "\u201c\u2018Nitady olona teo amin\u2019izy ireo aho mba hanamboatra ny simba amin\u2019ilay manda vato, na hitsangana eo amin\u2019ny banga amin\u2019ilay manda mba hiaro an\u2019ilay tany, amin\u2019izay tsy horavako ilay izy. Tsy nahita mihitsy anefa aho.",
        "31": "Hanamparako ny hatezerako \u00e0ry izy ireo. Hirehitra\u00a0be hoatran\u2019ny afo ny hatezerako, ka haripako tanteraka izy ireo. Dia hataoko mivaly aminy ny nataony\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.\u201d"
    },
    "23": {
        "1": "Niteny tamiko indray i Jehovah hoe:",
        "2": "\u201cRy zanak\u2019olona, nisy roa vavy zanaky ny vehivavy iray ihany.",
        "3": "Lasa mpivaro-tena izy mirahavavy, tany Ejipta, ary mbola tanora izy ireo dia efa nivaro-tena. Tany no nitsapatsapana ny nonony sy nanafosafoana ny tratrany, tamin\u2019izy ireo mbola virjiny.",
        "4": "Ohola no anaran\u2019ilay zokiny, ary Oholiba kosa ilay rahavaviny. Nalaiko ho vady izy roa vavy ka niteraka zanakalahy sy zanakavavy be dia be. I Samaria no Ohola, ary Jerosalema no Oholiba.",
        "5": "\u201cNivaro-tena i Ohola tamin\u2019izy mbola vadiko. Mafy\u00a0be ny faniriany hanao firaisana tamin\u2019ireo lehilahy niarahany, dia ny Asyrianina teny akaikiny.",
        "6": "Governora miakanjo manga ireny sady solontenam-panjakana. Tovolahy tsara tarehy daholo izy rehetra, sady nitaingin-tsoavaly.",
        "7": "Nivaro-tena foana i Ohola, ka niarahany daholo izay lehilahy tsara tarehy indrindra tany Asyria. Nandoto tena tamin\u2019ny sampy maharikoriko izy, dia tamin\u2019ny sampy notompoin\u2019ireo tiany hanaovana firaisana.",
        "8": "Nivaro-tena foana izy, hoatran\u2019ny efa fanaony tany Ejipta. Nanao firaisana taminy mantsy ireny tamin\u2019izy mbola tanora. Nanafosafo ny tratrany koa ireny tamin\u2019izy mbola virjiny, sady nanaram-po nanao firaisana taminy.",
        "9": "Koa natolotro teo am-pelatanan\u2019ireo lehilahy niarahany izy, dia ny Asyrianina izay tiany hanaovana firaisana.",
        "10": "Nahariharin\u2019ireny ny fitanjahany. Nalain\u2019ireny koa ny zanany lahy sy ny zanany vavy, fa izy kosa novonoiny tamin\u2019ny sabatra. Dia lasa ratsy laza teo amin\u2019ny vehivavy izy. Koa nampiharin\u2019ireny taminy ny didim-pitsarako.",
        "11": "\u201cRehefa nahita an\u2019izany i Oholiba rahavaviny, dia vao mainka nirongatra ny faniriany hanao firaisana. Vao mainka aza izy nivaro-tena mihoatra noho ny rahavaviny.",
        "12": "Mafy\u00a0be ny faniriany hanao firaisana tamin\u2019ny Asyrianina teny akaikiny, dia ireo governora sy solontenam-panjakana nanao akanjo mirenty sady nitaingin-tsoavaly. Tovolahy tsara tarehy daholo izy rehetra.",
        "13": "Rehefa nandoto tena koa i Oholiba, dia hitako fa nitovy ihany ny nataon\u2019izy roa vavy.",
        "14": "Ny an\u2019i Oholiba anefa vao mainka ratsy kokoa ny nataony. Nahita sarin-dehilahy vita sokitra teo amin\u2019ny rindrina izy, izany hoe sarina Kaldeanina natao sokitra sy nolokoana mena volon-daoranjy,",
        "15": "manao fehikibo eo amin\u2019ny andilany, manao satroka lamba misy mikirazorazo, ary hoatran\u2019ny miaramila no fahitana azy. Sarina Babylonianina teraka tany amin\u2019ny tanin\u2019ny Kaldeanina izy rehetra.",
        "16": "Nirongatra ny faniriany hanao firaisana tamin\u2019ireny, raha vao nahita an\u2019ireny fotsiny izy. Dia naniraka olona ho any amin\u2019ireny tany Kaldea izy.",
        "17": "Tonga foana teo amin\u2019ny fandriana fanaovany firaisana ny Babylonianina. Dia nanampatra ny faniriany hanao firaisana izy ireny ka nandoto azy. Rehefa avy nandoto azy izy ireny, dia tofoka tamin\u2019ireny izy ka niala taminy.",
        "18": "\u201cNivaro-tena foana izy sady naharihariny ny fitanjahany, nefa tsy nahalala menatra akory izy. Tofoka taminy \u00e0ry aho ka nialako izy, hoatran\u2019ilay izaho tofoka tamin\u2019ny rahavaviny ka niala taminy.",
        "19": "Ary vao mainka nivaro-tena i Oholiba ka tsaroany ny andro fahatanorany, tamin\u2019izy nivaro-tena tany Ejipta.",
        "20": "Nanampatra ny faniriany hanao firaisana tamin\u2019ny lehilahy niarahany izy, hoatran\u2019ny vadikelin\u2019ny lehilahy manana filahiana toy ny an\u2019ny ampondra sy toy ny an\u2019ny soavaly.",
        "21": "Mbola nanembonembona ny fitondran-tenanao mamoafady tamin\u2019ianao mbola tanora tany Ejipta ianao, tamin-dry zareo nanafosafo ny tratranao, dia ny nonon\u2019ny fahatanoranao.",
        "22": "\u201cIzao \u00e0ry no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony aminao, ry Oholiba: \u2018Hoentaniko ireny lehilahy niarahanao ireny, dia ireo nialanao satria nahatofoka anao. Hoentiko hanafika anao avy any amin\u2019ny vazan-tany efatra ireny,",
        "23": "dia ny Babylonianina sy ny Kaldeanina rehetra, ny miaramilan\u2019i Pekoda sy Soa ary Koa, miaraka amin\u2019ny Asyrianina rehetra. Tovolahy tsara tarehy daholo izy rehetra, sady governora, solontenam-panjakana, miaramila, ary lehilahy voafantina mitaingin-tsoavaly daholo.",
        "24": "Dia hanafika anao ireny miaraka amin\u2019ny kalesy fitondra miady, sy miaramila be dia be mitondra ampinga lehibe sy ampinga kely sady manao fiarovan-doha. Haka toerana manodidina anao ireny, dia havelako hitsara anao. Dia hotsarainy ianao, araka izay hitany fa mety.",
        "25": "Ho tezitra\u00a0be aminao aho, ary izy ireo koa ho romotra\u00a0be aminao. Dia hotapahiny ny oronao sy ny sofinao, fa ho fatin\u2019ny sabatra kosa izay sisa tavela ao aminao. Hoentiny ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy, fa izay sisa tavela eo aminao kosa ho levon\u2019ny afo.",
        "26": "Dia hesorin\u2019ireny ny akanjonao, ary hendahany ny firavakao tsara tarehy.",
        "27": "Hataoko mifarana hatreo ny fitondran-tenanao mamoafady sy ilay ianao mivaro-tena. Tany Ejipta ianao no nanomboka nanao an\u2019izany. Tsy hijery an\u2019ireny intsony ianao, ary tsy hotsaroanao intsony i Ejipta.\u2019",
        "28": "\u201cFa izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u2018Efa hatolotro eo am-pelatanan\u2019ireo ankahalainao ianao, dia ireo nialanao satria nahatofoka anao.",
        "29": "Dia hamely anao ireny satria halany ianao. Ho lasany daholo izay nisasaranao, ary havelany mitanjaka sy miboridana eo ianao. Hatao miharihary ilay fitanjahanao mahamenatra tamin\u2019ianao nijangajanga sy nanana fitondran-tena mamoafady ary nivaro-tena.",
        "30": "Hatao aminao ireo zavatra ireo, satria toy ny mpivaro-tena nanaraka an\u2019ireo firenena ianao, ary nandoto tena tamin\u2019ny sampiny maharikoriko.",
        "31": "Izay nataon\u2019ny rahavavinao ihany no nataonao, ka hatolotro eo an-tananao ny kaopy nisotroany.\u2019",
        "32": "\u201cIzao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u2018Hisotro amin\u2019ilay kaopin\u2019ny rahavavinao ianao, amin\u2019ilay kaopy lalina sy lehibe. Feno esoeso ilay kaopy, ka lasa hihomehezan\u2019ny olona sy hesoiny ianao.",
        "33": "Hosotroinao daholo ny ao anatin\u2019ny kaopin\u2019i Samaria rahavavinao. Dia ho mamo\u00a0be sy ho vonton\u2019alahelo ianao, Ka hihorohoro ny olona mahita anao, ary ho lasa aolo ianao.",
        "34": "Dia hosotroinao sy hotaperinao izany, ary hokepokepohinao ny vakivakin\u2019ilay kaopy tanimanga. Hosintontsintoninao koa ny nononao. \u201cFa izaho no efa niteny\u201d, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.\u2019",
        "35": "\u201cIzao \u00e0ry no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u2018Koa satria nanadino ahy ianao ka tsy niraharaha ahy mihitsy, dia hizaka ny vokatry ny fitondran-tenanao mamoafady sy ny fivarotan-tena nataonao ianao.\u2019\u201d",
        "36": "Hoy koa i Jehovah tamiko: \u201cRy zanak\u2019olona, hilaza didim-pitsarana momba an\u2019i Ohola sy Oholiba ve ianao, ka hampahafantatra azy ny fanaony maharikoriko?",
        "37": "Nanitsakitsa-bady izy roa vavy, ary nandatsa-dra. Nanitsakitsa-bady izy satria nanompo an\u2019ireo sampiny maharikoriko. Tsy izay ihany anefa fa nodorany tao anaty afo koa ny zanany naterany tamiko, ka nataony sakafon\u2019ireny sampiny ireny.",
        "38": "Izao koa no nataony tamiko: Nolotoiny ny toerako masina tamin\u2019izay andro izay, ary nozimbazimbainy ny sabatako.",
        "39": "Rehefa avy namono ny zanany hatao sorona ho an\u2019ny sampiny maharikoriko izy ireo, dia niditra tao amin\u2019ny toerako masina tamin\u2019iny andro iny ihany mba hanazimbazimba azy io. Izany no nataony tao amin\u2019ny tranoko.",
        "40": "Naniraka olona hampiantso lehilahy avy tany lavitra mihitsy aza izy ireo. Rehefa tonga ireny, dia nandro ianao, ry Oholiba, ary nanao manjamaso sy firavaka.",
        "41": "Nipetraka teo ambony farafara mirenty\u00a0be ianao, ary nasiana latabatra teo anoloan\u2019io. Dia nataonao teo ambonin\u2019ilay latabatra ny emboka manitra sy ny menaka tokony ho ahy.",
        "42": "Feon\u2019olona be dia be tsy mivaky loha no heno tao, ka anisan\u2019izany ny mpimamo nentina avy any an-tany efitra. Nasian\u2019ireny brasele ny tanan\u2019 izy roa vavy, ary nasiany diadema tsara tarehy teo amin\u2019ny lohany.",
        "43": "\u201cDia izao no nolazaiko momba an\u2019ilay vehivavy efa reraka nanitsakitsa-bady: \u2018Mbola hivaro-tena foana izy.\u2019",
        "44": "Nankao aminy foana ireny, toy ny olona mankao amin\u2019ny mpivaro-tena. Hoatr\u2019izany no nankanesan\u2019ireny tao amin\u2019i Ohola sy Oholiba, tao amin\u2019ireo vehivavy manana fitondran-tena mamoafady.",
        "45": "Hisy olo-marina kosa hamoaka didim-pitsarana sahaza azy noho izy nanitsakitsa-bady sy nandatsa-dra. Mpanitsakitsa-bady mantsy izy roa vavy, sady nandatsa-dra.",
        "46": "\u201cFa izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u2018Hisy tafika hoentina hamely azy ireo, ka hihorohoro ny olona rehefa mahita an\u2019izay manjo azy. Ho voaroba koa izy ireo.",
        "47": "Dia hitora-bato azy ilay tafika, ka handripaka azy amin\u2019ny sabatra. Hovonoin\u2019ireny ny zanany lahy sy ny zanany vavy, ary hodorany koa ny tranony.",
        "48": "Hataoko mifarana hatreo ny fitondran-tena mamoafady eo amin\u2019ilay tany. Dia handray lesona ny vehivavy rehetra, ka tsy hanahaka ny fitondran-tena mamoafady ataonareo.",
        "49": "Dia hataon\u2019ireny mizaka ny vokatry ny fitondran-tenanareo mamoafady ianareo, ary hizaka ny vokatry ny fahotanareo tamin\u2019ianareo nanompo ny sampinareo maharikoriko. Dia tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho no Jehovah Tompo Fara Tampony.\u2019\u201d"
    },
    "24": {
        "1": "Niteny tamiko indray i Jehovah, tamin\u2019ny andro fahafolon\u2019ny volana fahafolo, tamin\u2019ny taona fahasivy, hoe:",
        "2": "\u201cRy\u00a0zanak\u2019olona, soraty ny daty androany, dia ity datin\u2019andro androany ity. Androany mantsy ny mpanjakan\u2019i Babylona no nanomboka nanafika an\u2019i Jerosalema.",
        "3": "Ary manaova ohabolana momba an\u2019io taranaka mpikomy io, dia izao lazaina momba azy ireo: \u201c\u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u201cAtaingeno eo ambony afo ny vilany. Ataingeno ilay izy dia asio rano ao anatiny.",
        "4": "Mandrotsaha hena voatetika, dia ny vongan-kena tsara rehetra, Izany hoe ny feny sy ny sorony. Fenoy an\u2019izay taolana tsara indrindra ilay vilany.",
        "5": "Alaivo izay ondry tsara indrindra amin\u2019ny andian\u2019ondry. Dia fenoy kitay eo ambanin\u2019ilay vilany. Andrahoy ny hena sy ny taolana ao anatin\u2019ilay vilany.\u201d\u2019",
        "6": "\u201cIzao \u00e0ry no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u2018Hahita loza ilay tan\u00e0na mpandatsa-dra, ilay vilany harafesenina nefa tsy nesorina ny harafesina aminy! Avoahy tsirairay ny vongan-kena, fa aza anaovana antsapaka.",
        "7": "Fa mbola ao amin\u2019ilay tan\u00e0na ihany ny ra nalatsany. Nararany teny amin\u2019ny vatolampy mangadihady izany, Fa tsy nararany tamin\u2019ny tany mba hototofana vovoka.",
        "8": "Navelako teny amin\u2019ny vatolampy mangadihady sy mangirana ny ra nalatsany, Mba tsy hototofana. Amin\u2019izay aho dia ho tezitra mafy ka hamaly faty.",
        "9": "\u201cIzao \u00e0ry no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u2018Hahita loza ilay tan\u00e0na mpandatsa-dra! Hataoko mivangongo avo\u00a0be ny kitay.",
        "10": "Ataovy mivangongo ny kitay, dia areheto ny afo. Andrahoy ho masaka tsara ny hena dia araraho ny rony, ka avelao ho may kila ny taolana.",
        "11": "Ataingeno eo ambony afo ilay vilany varahina tsy misy na inona na inona mba hahamay, Dia ho mena mivaivay ilay vilany. Hitsonika koa ny loto ao anatiny, ary ho levona ny harafesina aminy.",
        "12": "Mahakivy sy mandreraka ilay vilany, Satria tsy ho afaka mihitsy ilay harafesina be. Dia atsipazo ao anaty afo miaraka amin\u2019ilay harafesina ilay izy!\u2019",
        "13": "\u201c\u2018Naloto ianao satria nanana fitondran-tena mamoafady. Niezaka nanadio anao aho nefa tsy nety nadio ianao, ka tsy afaka ny fahalotoanao. Tsy hadio intsony ianao raha tsy efa afaka ny hatezerako aminao.",
        "14": "Izaho Jehovah no efa niteny, ka ho tanteraka tokoa izany. Dia hanao zavatra aho fa tsy hisalasala, na halahelo, na hanenina. Hotsarain\u2019izy ireo araka izay nataonao sy izay vitanao ianao\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.\u201d",
        "15": "Niteny tamiko indray i Jehovah hoe:",
        "16": "\u201cRy\u00a0zanak\u2019olona, efa hesoriko aminao ilay malalanao, ary tampoka no hanaovako an\u2019izany. Dia aza malahelo na mitomany na mandatsa-dranomaso.",
        "17": "Aleo ianao mitoloko mangina, fa aza manao fombafomba fisaonana azy. Afatory tsara ny fehilohanao, ary anaovy ny kapanao. Aza sarontsaronana ny volombavanao, ary aza mihinana ny sakafo aterin\u2019ny olona ho anao.\u201d",
        "18": "Niresaka tamin\u2019ny olona aho ny maraina, dia maty ny vadiko ny hariva. Koa nataoko daholo izay rehetra nasaina nataoko, ny ampitso maraina.",
        "19": "Dia hoy ny olona tamiko: \u201cTsy horesahinao aminay ve hoe nahoana no mahakasika anay izao ataonao izao?\u201d",
        "20": "Dia hoy aho: \u201cNiteny tamiko i Jehovah hoe:",
        "21": "\u2018Lazao amin\u2019ny taranak\u2019Israely hoe: \u201cIzao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u2018Efa hozimbazimbaiko ny toerako masina, dia ilay toerana mampirehareha be anareo, ilay tena tianareo sy ifikiran\u2019ny fonareo. Ary ho fatin\u2019ny sabatra ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy, izay nilaozanareo.",
        "22": "Dia hanao hoatran\u2019ny nataon\u2019i Ezekiela ianareo amin\u2019izay, ka tsy hosaronanareo ny volombavanareo, ary tsy hohaninareo ny sakafo aterin\u2019ny olona ho anareo.",
        "23": "Ho eo an-dohanareo ny fehilohanareo, ary ho eny an-tongotrareo ny kapanareo. Tsy halahelo na hitomany ianareo, fa ho lo noho ny fahadisoanareo. Dia hifampijery ianareo ka hitaraina.",
        "24": "Famantarana ho anareo i Ezekiela. Hoatran\u2019izay nataony mihitsy no hataonareo. Rehefa mitranga izany, dia tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho no Jehovah Tompo Fara Tampony.\u2019\u201d\u2019\u201d",
        "25": "\u201cRy zanak\u2019olona, hesoriko amin\u2019izy ireo ny toerana voaro mafy, dia ilay toerana kanto mahafaly azy, ilay tena tiany sady ifikiran\u2019ny fony. Hesoriko aminy koa ny zanany lahy sy ny zanany vavy. Amin\u2019izay andro izay,",
        "26": "dia hilaza an\u2019izany aminao ny olona iray afa-nandositra.",
        "27": "Hisokatra ny vavanao amin\u2019izay andro izay, ka hiresaka amin\u2019ilay afa-nandositra ianao fa tsy ho moana intsony. Dia ho famantarana ho azy ireny ianao, ary tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah.\u201d"
    },
    "25": {
        "1": "Dia niteny tamiko indray i Jehovah hoe:",
        "2": "\u201cRy zanak\u2019olona, mitodiha any amin\u2019ny Amonita, ary maminania hoe hisy loza hanjo azy.",
        "3": "Dia izao lazaina momba ny Amonita: \u2018Henoy ny tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony. Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u201cRehefa nozimbazimbaina ny toerako masina, sady lasa tsy misy mponina ny tanin\u2019ny Israely, ary natao sesitany ny taranak\u2019i Joda, dia nilaza ianao hoe: \u2018Tsara ho azy izay!\u2019",
        "4": "Noho izany, dia hatolotro ho fananan\u2019ny Tatsinanana ianao. Dia hanorina ny tobiny ao aminao izy ireo, ary hanangana tranolay ao, dia hihinana ny vokatra ao aminao, ary hisotro ny ronononao.",
        "5": "Hataoko kijana ho an\u2019ny rameva i Raba, ary hataoko toerana fakana aina ho an\u2019ny ondry aman\u2019osy ny tanin\u2019ny Amonita. Dia tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho no Jehovah.\u201d\u2019\u201d",
        "6": "\u201cIzao \u00e0ry no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u2018Noho ianao nitehaka sy nanatontona ny tongotrao tamin\u2019ny tany, sady faly er\u1ef3 nanesoeso ny tanin\u2019ny Israely rehefa nahita an\u2019izay nanjo azy,",
        "7": "dia hanatsotra ny tanako hamely anao aho, ka havelako horobain\u2019ireo firenena ianao. Horinganiko ianao ka tsy ho firenena intsony, ary tsy hanana tany intsony. Dia haripako tanteraka ianao, ka tsy maintsy ho fantatrao fa izaho no Jehovah.\u2019",
        "8": "\u201cIzao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u2018Satria i Moaba sy Seira niteny hoe: \u201cHay hoatran\u2019ny firenen-drehetra ihany ny taranak\u2019i Joda!\u201d,",
        "9": "dia havelako hisy hanafika ny tan\u00e0na eny amin\u2019ny sisin-tanin\u2019i Moaba, dia ny tan\u00e0na tsara indrindra any, anisan\u2019izany i Beti-jesimota sy Bala-meona ary na dia i Kiriataima aza.",
        "10": "Homeko ho an\u2019ny Tatsinanana i Moaba sy ny Amonita. Dia tsy hotsaroana intsony any amin\u2019ireo firenena ny Amonita.",
        "11": "Ary hampihatra didim-pitsarana any Moaba aho, ka tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah.\u2019",
        "12": "\u201cIzao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u2018Namaly faty i Edoma ka nasiany ny taranak\u2019i Joda. Nanao fahadisoana lehibe izy rehefa namaly faty an\u2019ireo.",
        "13": "Izao \u00e0ry no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u201cHanatsotra ny tanako hamely an\u2019i Edoma koa aho, ka horinganiko ny olona sy ny biby fiompy ao, ary hataoko lasa tsy misy mponina izy. Dia ho fatin\u2019ny sabatra ny olona hatrany Temana ka hatrany Dedana.",
        "14": "\u2018Hamaly ny nataon\u2019i Edoma aho, ka ny tanan\u2019ny Israely vahoakako no hampiasaiko amin\u2019izany. Dia hataon\u2019izy ireo fantatr\u2019i Edoma fa tezitra sady misafoaka aho, amin\u2019izay mba tsapany tsara ny valifaty ataoko aminy\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.\u201d\u2019",
        "15": "\u201cIzao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u2018Nankahala ny Israely foana ny Filistinina, ka nanao teti-dratsy hamaliana faty sy handringanana azy.",
        "16": "Izao \u00e0ry no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u201cHanatsotra ny tanako hamely ny Filistinina aho, ka horinganiko ny Keretita, ary haripako ny mponina sisa any amoron-tsiraka.",
        "17": "Hataoko mahita faisana izy ireo rehefa mamaly faty azy aho, ka hanamparako ny hatezerako izy rehefa faiziko. Dia tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah, rehefa mamaly ny nataony aho.\u201d\u2019\u201d"
    },
    "26": {
        "1": "Niteny tamiko i Jehovah, tamin\u2019ny andro voalohan\u2019ny volana, tamin\u2019ny taona faha-11, hoe:",
        "2": "\u201cRy zanak\u2019olona, izao no nolazain\u2019i Tyro momba an\u2019i Jerosalema: \u2018Tsara ho azy izay! Nirodana ilay vavahadin\u2019ny firenena! Mba anjarako indray izao ny hanan-karena\u00a0be, satria izy efa rava.\u2019",
        "3": "Noho izany, dia izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u2018Homelohiko ianao, ry Tyro, ka hisy firenena be dia be hoentiko hanafika anao, hoatran\u2019ireny onjan-dranomasina miakatra ireny.",
        "4": "Horavan\u2019izy ireo ny mandan\u2019i Tyro, ary harodany ny tilikambony. Hokaofiko ny vovoka ao, dia hataoko lasa vatolampy mangirana sy mangadihady izy.",
        "5": "Ho lasa toerana fanahazana harato eo afovoan-dranomasina izy.\u2019 \u201c\u2018Fa izaho no efa niteny an\u2019izany\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, \u2018ka horobain\u2019ny firenena izy.",
        "6": "Ary ho fatin\u2019ny sabatra ny mponina any amin\u2019ny tan\u00e0na keliny any ambanivohitra. Dia tsy maintsy ho fantatry ny olona fa izaho no Jehovah.\u2019",
        "7": "\u201cIzao \u00e0ry no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u2018Hoentiko avy any avaratra i Nebokadnezara mpanjakan\u2019i Babylona mba hanafika an\u2019i Tyro. Mpanjakan\u2019ny mpanjaka izy, ka hitondra soavaly sy kalesy fitondra miady sy mpitaingin-tsoavaly ary tafika misy miaramila be dia be.",
        "8": "Hovonoiny amin\u2019ny sabatra ny mponina any amin\u2019ny tan\u00e0na kelinao any ambanivohitra. Dia hanangana manda sy dongon-tany hanaovana fahirano anao izy, ary hitazona ampinga ngezabe rehefa manafika anao.",
        "9": "Hopotehiny amin\u2019ny lohondry\u00a0vy ny mandanao, ary harodany amin\u2019ny famaky ny tilikambonao.",
        "10": "Be dia be mihitsy ny soavaliny ka hitora-jofo handrakotra anao ny vovoka. Migodongodona\u00a0be ny mpitaingin-tsoavaly sy ny kodiarana ary ny kalesy, ka hihozongozona hatramin\u2019ny mandanao rehefa miditra eo amin\u2019ny vavahadinao izy, hoatran\u2019ny olona mirodorodo mankao amin\u2019ny tan\u00e0na voagorobaka.",
        "11": "Hikatrokatroka eny an-dalambenao rehetra eny ny kitron-tsoavaliny. Hovonoiny amin\u2019ny sabatra ny mponina ao aminao, ary hirodana amin\u2019ny tany ireo andry matanjaka ao aminao.",
        "12": "Halainy daholo ny harenanao, horobainy ny entam-barotrao, harodany ny mandanao, ary horavany ny trano tsara tarehy ao aminao. Dia hatsipiny any anaty rano ny vato sy ny zavatra vita amin\u2019ny hazo ary ny vovoka ao aminao.\u2019",
        "13": "\u201c\u2018Hataoko mifarana hatreo ny tabataban\u2019ny hiranao, ary tsy ho heno intsony ny feon\u2019ny harpa fandre ao aminao.",
        "14": "Dia hataoko lasa vatolampy mangirana sy mangadihady ianao, ka ho lasa toerana fanahazana harato. Dia tsy haorina intsony ianao, fa izaho Jehovah no efa niteny\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.",
        "15": "\u201cIzao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony amin\u2019i Tyro: \u2018Tsy hangovitra ve ireo nosy rehefa maheno ny fidoboky ny fianjeranao, rehefa mitaraindraina ny olona efa ho faty, rehefa aripaka daholo ny mponina ao aminao?",
        "16": "Hidina avy eo amin\u2019ny seza fiandrianany daholo ny andrianan\u2019ny ranomasina, ka hanala ny akanjony ivelany sy ny fitafiany misy peta-kofehy, sady hangovitra\u00a0be. Hipetraka eo amin\u2019ny tany izy ireo, ary hangovitra foana sady hidan\u00e0ka mijery anao.",
        "17": "Dia hanao hira fisaonana anao izy ireo, hoe: \u201cIndrisy fa rava tokoa ianao, ry ilay tan\u00e0na noderaina sy nipetrahan\u2019ny olona avy any amin\u2019ny ranomasina! Samy natanjaka tany an-dranomasina ianao sy ny mponina tao aminao, Ka lasa natahotra daholo ny mponina eran-tany!",
        "18": "Hangovitra daholo ny nosy, amin\u2019ny andro hianjeranao. Hitebiteby koa ireo nosy any an-dranomasina rehefa tsy eo intsony ianao.\u201d\u2019",
        "19": "\u201cIzao \u00e0ry no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u2018Horavako tanteraka ianao, ka hataoko hoatran\u2019ny tan\u00e0na tsy misy mponina. Hataoko difotry ny rano manonja\u00a0be koa ianao ka ho safotry ny rano mikoriana mafy. Amin\u2019izay fotoana izay,",
        "20": "dia hoentiko any amin\u2019ny olona efa maty taloha ela\u00a0be ianao sy izay miara-midina aminao any anaty lavaka. Halefako hipetraka any amin\u2019ny toerana ambany indrindra hoatran\u2019ireny toerana taloha efa ravarava ireny ianao sy izay miara-midina aminao any anaty lavaka. Amin\u2019izay dia tsy hisy hipetraka intsony ao aminao. Dia homeko voninahitra ny tanin\u2019ny velona.",
        "21": "\u201c\u2018Hataoko mihorohoro tampoka ianao, dia tsy hisy intsony. Hitady anao izy ireo nefa tsy ho hita intsony mihitsy ianao\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.\u201d"
    },
    "27": {
        "1": "Niteny tamiko indray i Jehovah hoe:",
        "2": "\u201cRy\u00a0zanak\u2019olona, manaova hira fisaonana an\u2019i Tyro,",
        "3": "dia izao lazaina aminy: \u2018Ianao ilay mipetraka eo amin\u2019ny vavahadin\u2019ny ranomasina, Ilay mpivarotra amin\u2019ny vahoaka any amin\u2019ny nosy be dia\u00a0be, Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u201cRy Tyro\u00a0\u00f4, nilaza ianao hoe: \u2018Faran\u2019izay tsara tarehy aho!\u2019",
        "4": "Eny afovoan-dranomasina ny faritry ny taninao, Ary izay nanorina anao no nahatonga anao ho faran\u2019izay tsara tarehy.",
        "5": "Hazo zenevrie avy any Senira no nanamboarany ny hazo fisaka rehetra nandrafetana anao, Ary hazo sedera avy any Lib\u00e0na no nanaovany andrin-tsambo ho anao.",
        "6": "Hazo oaka avy any Basana no nanaovany fivoy ho anao, Ary hazo siprey voaravaka ivoara avy any amin\u2019ny nosy Kitima no nanaovany ny lohan-tsambo.",
        "7": "Lamba rongony marevaka avy any Ejipta no nanaovana lain-tsambo ho anao, Ary kofehy manga sy volonondry volomparasy avy any amin\u2019ny nosy Elisaha no natao tafon\u2019ny tokotanin-tsambonao.",
        "8": "Ny mponin\u2019i Sidona sy Arvada no mpivoy ny sambonao. Ny olona nanan-talenta tao aminao, ry\u00a0Tyro, no tantsambonao.",
        "9": "Ny olona efa za-draharaha sy manan-talenta avy any Gebala no nanentsina an\u2019izay loaka taminao. Dia nankany aminao daholo ny sambo avy any an-dranomasina sy ny tantsambony mba haka entana sy hivarotra.",
        "10": "Avy any Persa sy Loda ary Pota ny lehilahy ao amin\u2019ny tafikao, izany hoe ny lehilahy mpiady nampiasainao. Nahanton\u2019izy ireo teo aminao ny ampingany sy ny fiarovan-dohany, ka nataony lasa be\u00a0voninahitra ianao.",
        "11": "Ny olona avy any Arvada tao amin\u2019ny tafikao no niambina teny ambonin\u2019ny manda manodidina anao, Ary lehilahy be herim-po no natao teny amin\u2019ny tilikambonao. Nasian\u2019izy ireo ampinga boribory nihantona teny amin\u2019ny sisin\u2019ny mandanao rehetra, Ka nataony lasa faran\u2019izay tsara tarehy ianao.",
        "12": "\u201c\u2018\u201cNanao raharaham-barotra taminao i Tarsisy satria nanan-karena be ianao. Natakalon\u2019izy ireo volafotsy sy vy sy firapotsy ary firamainty ny entanao.",
        "13": "Nanao raharaham-barotra taminao koa i Javana sy Tobala ary Meseka, ka natakalony andevo sy zavatra vita amin\u2019ny varahina ny entam-barotrao.",
        "14": "Natakalon\u2019ny taranak\u2019i Togarma soavaly fitondra miady sy karazan-tsoavaly hafa ary ramole kosa ny entanao.",
        "15": "Nanao raharaham-barotra taminao koa ny taranak\u2019i Dedana. Nampiasa mpivarotra tany amin\u2019ny nosy maromaro ianao. Ary tandroka ivoara sy hazomainty no nataony fanomezana ho anao.",
        "16": "Nanao raharaham-barotra taminao koa i Edoma, satria be dia be ny zavatra novokarinao. Vatosoa torkoazy, volonondry volomparasy, lamba misy peta-kofehy miloko isan-karazany, ravin-damba tena tsara, haran-dranomasina, ary vatosoa robia no nomeny ho takalon\u2019ny entanao.",
        "17": "\u201c\u2018\u201cNanao raharaham-barotra taminao koa i Joda sy ny tanin\u2019ny Israely, ka varimbazaha avy any Minita, sy sakafo tena tsara, tantely, menaka, ary balsama no nomeny ho takalon\u2019ny entanao.",
        "18": "\u201c\u2018\u201cNanao raharaham-barotra taminao i Damaskosy, satria be dia be ny zavatra novokarinao sy ny harenanao. Nivarotra divay avy any Helbona sy volonondry avy any Zahara taminao izy.",
        "19": "I Vedana sy Javana avy any Ozala kosa nanome vy efa voatefy sy hazo kasia ary fant\u00e0kamanitra ho takalon\u2019ny entanao.",
        "20": "Nivarotra lamba taminao koa i Dedana mba hatao lasely eo ambony soavaly.",
        "21": "Nampiasa ny Arabo sy ny mpiadidy rehetra tao Kedara ianao. Mpivarotra zanak\u2019ondry sy ondrilahy ary osy izy ireny.",
        "22": "Nanao raharaham-barotra taminao koa ny mpivarotra avy any Sheba sy Rama. Ranomanitra faran\u2019izay tsara isan-karazany sy vatosoa ary volamena no nomeny ho takalon\u2019ny entanao.",
        "23": "Nanao raharaham-barotra taminao koa i Harana, Kane, Edena, ny mpivarotra avy any Sheba, Asyra, ary Kilmada.",
        "24": "Teny an-tsenanao izy ireny no nivarotra akanjo tsara tarehy, sy akanjo ivelany manga misy peta-kofehy sady miloko isan-karazany, ary karipetra milokoloko be. Nofatorana mafy tsara tamin\u2019ny tady izany rehetra izany.",
        "25": "Ireo sambon\u2019i Tarsisy no nitanjozotra nitatitra ny entam-barotrao, Ka lasa feno entana ianao sady navesatra\u00a0be teny afovoan-dranomasina.",
        "26": "Nentin\u2019ny mpivoy anao teny amin\u2019ny ranomasina manonja be ianao, Dia rendrika teny afovoan-dranomasina satria nisy rivotra avy any atsinanana.",
        "27": "Rehefa tonga ny andro hianjeranao, dia hilentika any afovoan-dranomasina daholo Ny harenanao, ny entanao, ny entam-barotrao, ny matiloanao, ny tantsambonao, Ny mpanentsina ny loaka taminao, ny mpivarotra ny entam-barotrao, ary ny lehilahy mpiady rehetra, Dia ny olona rehetra ao aminao.",
        "28": "Hangovitra ireo morontsiraka rehefa mitaraindraina ny tantsambonao.",
        "29": "Dia hidina avy eny amin\u2019ny sambony daholo ny mpivoy sy ny matiloa ary ny tantsambo, Ka hijoro eny an-tanety.",
        "30": "Hiantsoantso izy ireo sady hitaraindraina mafy noho izay manjo anao, Dia hanipy vovoka eo amin\u2019ny lohany sady hihosin-davenona.",
        "31": "Hosolainy koa ny lohany, ary hisikina lamba gony izy ireo. Hitomany mafy izy ireo noho izay manjo anao, sady hidradradradra mafy.",
        "32": "Hanao an\u2019izao hira fisaonana izao izy ireo sady hitaraindraina satria halahelo anao: \u2018Iza no hoatran\u2019i Tyro? Izao anefa izy mangina eny afovoan-dranomasina.",
        "33": "Nanome fahafaham-po firenena maro ianao, rehefa tonga avy eny an-dranomasina ny entanao. Lasa nanan-karena ny mpanjaka eto an-tany noho ny harenanao be dia be sy ny entam-barotrao.",
        "34": "Rendrika eny afovoan-dranomasina, eny amin\u2019ny rano\u00a0lalina, anefa ianao izao, Dia nilentika niaraka taminao daholo ny entam-barotrao sy ny olona rehetra ao aminao.",
        "35": "Hidan\u00e0ka hijery anao ny mponina rehetra any amin\u2019ireo nosy, Ary hangovitra sy hihorohoro ny mpanjakan\u2019ireny. Ho hita\u00a0be amin\u2019ny endriny hoe mitebiteby izy.",
        "36": "Hisioka ny mpivarotra any amin\u2019ireo firenena noho izay nanjo anao. Ho tampoka be sy hahatsiravina ny hiafaranao, Ka tsy hisy intsony mandrakizay ianao.\u2019\u201d\u2019\u201d"
    },
    "28": {
        "1": "Niteny tamiko indray i Jehovah hoe:",
        "2": "\u201cRy\u00a0zanak\u2019olona, lazao amin\u2019ilay mpitondra an\u2019i Tyro hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u201cNirehareha ny fonao, ka miteny foana ianao hoe \u2018andriamanitra aho.\u2019 Milaza foana koa ianao hoe: \u2018Mipetraka eo amin\u2019ny seza fiandrianan\u2019andriamanitra aho, eny afovoan-dranomasina.\u2019 Olombelona ihany anefa ianao, fa tsy andriamanitra, Na dia mieritreritra ny tenanao ho andriamanitra aza ianao ao am-ponao\u00a0ao.",
        "3": "Sao ianao mihevitra hoe hendry noho i Daniela, Ka tsy misy zava-miafina tsy hainao!",
        "4": "Lasa nanan-karena ianao, satria manam-pahendrena sy mahay manavaka. Manangona volamena sy volafotsy foana ianao, mba hatao ao amin\u2019ny fitehirizanao zava-tsarobidy.",
        "5": "Nahazo harem-be ianao satria mahay manao raharaham-barotra, Dia nirehareha ny fonao satria nanan-karena ianao.\u201d\u2019",
        "6": "\u201c\u2018Izao \u00e0ry no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u201cNoho ianao mieritreritra ao am-ponao ao hoe andriamanitra ianao,",
        "7": "Dia hisy hafa firenena hoentiko hanafika anao, firenena faran\u2019izay tsy mifaditrovana. Hanatsoaka sabatra ireny, ka hamely ny zavatra tsara tarehy rehetra azonao tamin\u2019ny fahendrenao, Sady hanazimbazimba ny voninahitrao.",
        "8": "Hampidininy any anaty lavaka ianao, Ka hisy hamono eny afovoan-dranomasina.",
        "9": "Dia mbola hilaza amin\u2019ilay mamono anao ihany ve ianao hoe \u2018andriamanitra aho\u2019? Tsy andriamanitra anefa ianao fa olombelona ihany, eo anatrehan\u2019ireo manazimbazimba anao.\u201d\u2019",
        "10": "\u2018Hovonoin\u2019ny hafa firenena ianao, ka ho toy ny fahafatesan\u2019ny tsy mifora ny fahafatesanao, Fa izaho no niteny an\u2019izany\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.\u201d",
        "11": "Dia niteny tamiko indray i Jehovah hoe:",
        "12": "\u201cRy\u00a0zanak\u2019olona, manaova hira fisaonana ny mpanjakan\u2019i Tyro, ka lazao aminy hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u201cIanao no modely ny amin\u2019izay atao hoe tonga lafatra, Satria nanam-pahendrena\u00a0be ianao sady faran\u2019izay tsara tarehy.",
        "13": "Tao Edena, zaridainan\u2019Andriamanitra, ianao. Noravahana vatosoa isan-karazany ianao, Dia robia, topaza, jaspa, krizolita, oniksa, jady, safira, torkoazy, ary emeraoda. Volamena ny tranotranon\u2019ireny sy ny metaly nipetahany. Efa natao vonona teo ireny, tamin\u2019ny andro namoronana anao.",
        "14": "Notendreko ho kerobima voahosotra ianao, ho kerobima mpiaro. Teny amin\u2019ny tendrombohitra masin\u2019Andriamanitra ianao, ary nandehandeha teny amin\u2019ny vato mirehitra.",
        "15": "Tsy nisy tsiny ianao tamin\u2019izay nataonao, nanomboka tamin\u2019ny andro namoronana anao Ka mandra-pahita hoe nanao ratsy ianao.",
        "16": "Nanao raharaham-barotra be dia be ianao, Ka lasa nahery setra be, ary nanomboka nanota. Dia horoahiko tsy ho eo an-tendrombohitr\u2019Andriamanitra ianao, satria efa tsy masina intsony. Haringako tsy ho eny amin\u2019ny vato mirehitra koa ianao, ry\u00a0ilay kerobima mpiaro\u00a0\u00f4!",
        "17": "Lasa nirehareha ny fonao, satria tsara tarehy ianao. Nosimbanao ny fahendrenao, satria be\u00a0voninahitra ianao. Dia hazerako eny amin\u2019ny tany ianao, Ary hataoko lasa hesoesoin\u2019ny olona eo anatrehan\u2019ny mpanjaka maro.",
        "18": "Nozimbazimbainao ny toeranao masina, satria nanao fahadisoana lehibe ianao sady nanao ny tsy marina tamin\u2019ny raharaham-barotra. Hasiako afo mivoaka avy eo aminao, dia ho levon\u2019ny afo ianao. Ary hataoko lasa lavenona eny ambonin\u2019ny tany ianao, eo imason\u2019izay rehetra mijery anao.",
        "19": "Dia hidan\u00e0ka hijery anao izay rehetra mahalala anao any amin\u2019ireo firenena. Ho tampoka be sy hahatsiravina ny hiafaranao, Ary tsy hisy intsony mandrakizay ianao.\u201d\u2019\u201d",
        "20": "Dia niteny tamiko indray i Jehovah hoe:",
        "21": "\u201cRy\u00a0zanak\u2019olona, mitodiha any Sidona, ary maminania hoe hisy loza hanjo azy.",
        "22": "Lazao hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u201cHomelohiko ianao, ry Sidona\u00a0\u00f4! Homem-boninahitra aho noho izay hataoko aminao. Tsy maintsy ho fantatry ny olona fa izaho no Jehovah, rehefa mampihatra didim-pitsarana aminao aho, sady hamasinina noho ny aminao.",
        "23": "Handefasako areti-mandringana ao aminao, ary hataoko misy ra mandriaka eny an-dalambenao. Ary ho avy eny amin\u2019ny manodidina rehetra ny sabatra, dia hamely anao ka hiampatrampatra ao aminao ny fatin\u2019izay novonoina. Dia tsy maintsy ho fantatry ny olona fa izaho no Jehovah.",
        "24": "\u201c\u2018\u201cAry tsy ho voahodidina tsilo mandratra sy mampanaintaina intsony ny taranak\u2019Israely, izany hoe tsy ho voahodidina olona manesoeso azy intsony. Dia tsy maintsy ho fantatry ny olona fa izaho no Jehovah Tompo Fara Tampony.\u201d\u2019",
        "25": "\u201c\u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u201cRehefa angoniko indray avy any amin\u2019ireo firenena nanaparitahana azy ny taranak\u2019Israely, dia hohamasinina eo amin\u2019izy ireo sy eo imason\u2019ireo firenena aho. Dia hipetraka ao amin\u2019ny taniny izy ireo, dia ilay tany nomeko an\u2019i Jakoba mpanompoko.",
        "26": "Hiadana sy hilamina izy ireo ao amin\u2019ilay tany, ka hanao trano sy hamboly voaloboka. Ary hiadana sy hilamina izy ireo rehefa mampihatra didim-pitsarana amin\u2019izay manesoeso azy aho, dia izay rehetra manodidina azy. Koa tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah Andriamaniny.\u201d\u2019\u201d"
    },
    "29": {
        "1": "Tamin\u2019ny andro faha-12 amin\u2019ny volana fahafolo, tamin\u2019ny taona fahafolo, dia niteny tamiko i Jehovah hoe:",
        "2": "\u201cRy zanak\u2019olona, mitodiha any amin\u2019i Farao mpanjakan\u2019i Ejipta, ary maminania hoe hisy loza hanjo azy sy Ejipta manontolo.",
        "3": "Lazao hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u201cHanameloka anao aho, ry Farao mpanjakan\u2019i Ejipta, Ilay biby ngezabe any an-dranomasina ao amin\u2019ny lakandranon\u2019i Neily. Nilaza ianao hoe: \u2018Ahy ny Reniranon\u2019i Neily, Dia izaho no nanao azy ho ahy.\u2019",
        "4": "Hasiako faraingo anefa ny valanoranonao, ary hataoko miraikitra amin\u2019ny kiranao ny trondron\u2019ny Reniranon\u2019i Neily. Dia havoakako avy ao amin\u2019ny Reniranon\u2019i Neily ianao sy ny trondro rehetra miraikitra amin\u2019ny kiranao.",
        "5": "Hariako any amin\u2019ny tany karakaina ianao sy ny trondron\u2019ny Reniranon\u2019i Neily rehetra. Ho faty any an-tsaha ianao, ka tsy hisy hanangona na handevina. Dia homeko ho sakafon\u2019ny bibidia sy ny vorona eny amin\u2019ny lanitra ianao.",
        "6": "Ary tsy maintsy ho fantatry ny mponina rehetra any Ejipta fa izaho no Jehovah. Na singana mololo aza mantsy mbola azon\u2019ny taranak\u2019Israely ianteherana kokoa noho izy ireo.",
        "7": "Lasa torotoro ianao rehefa notazonin\u2019ny taranak\u2019Israely ny tananao, Ka tapaka ny sorony noho ianao. Ary tapaka ianao rehefa nianteherany, Ka nahatonga ny tongony hangozohozo.\u201d",
        "8": "\u201c\u2018Izao \u00e0ry no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u201cHamely anao amin\u2019ny sabatra aho, ka haripako daholo ny olona sy ny biby ao aminao.",
        "9": "Dia ho lasa tsy misy mponina sy ho rava tanteraka i Ejipta. Dia tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah, satria efa nilaza ianao hoe: \u2018Ahy ny Reniranon\u2019i Neily, ary izaho no nanao azy.\u2019",
        "10": "Homelohiko \u00e0ry ianao sy ny Reniranon\u2019i Neily. Dia hataoko rava tanteraka sy maina ary ngazana i Ejipta, hatrany Migdola ka hatrany Syena ary hatrany amin\u2019ny sisin-tanin\u2019i Etiopia.",
        "11": "Tsy hodiavin\u2019olona na biby fiompy intsony any, ary tsy hisy hipetraka any intsony mandritra ny 40\u00a0taona.",
        "12": "Hataoko ngazana indrindra amin\u2019ny tany rehetra ny tanin\u2019i Ejipta, ary ny tan\u00e0nany no ho tan\u00e0na aolo indrindra mandritra ny 40\u00a0taona. Dia haparitako any amin\u2019ny firenena samy hafa ny Ejipsianina, sady haeliko any amin\u2019ny tany samihafa.\u201d",
        "13": "\u201c\u2018Fa izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u201cRehefa tapitra ny 40\u00a0taona, dia hangoniko avy any amin\u2019ny firenena nanaparitahana azy ny Ejipsianina.",
        "14": "Hoentiko miverina any Patrosa, any amin\u2019ny tany niaviany, ny Ejipsianina lasa babo. Dia tsy hisy heriny intsony ny fanjakany.",
        "15": "Ho lasa malemy noho ny fanjakana hafa i Ejipta, ary tsy hifehy firenena hafa intsony. Hataoko lasa tsinontsinona izy ka tsy hanana fahefana amin\u2019ny firenena hafa intsony.",
        "16": "Tsy ho afaka hitoky amin\u2019i Ejipta intsony koa ny taranak\u2019Israely, fa vao mainka aza izy ireo hahatsiaro hoe diso fa nangataka fanampiana tamin\u2019ny Ejipsianina. Dia tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah Tompo Fara Tampony.\u201d\u2019\u201d",
        "17": "Dia niteny tamiko i Jehovah tamin\u2019ny andro voalohan\u2019ny volana voalohany, tamin\u2019ny taona faha-27, hoe:",
        "18": "\u201cRy zanak\u2019olona, nampanaovin\u2019i Nebokadnezara mpanjakan\u2019i Babylona asa mafy\u00a0be ny tafiny rehefa nandrava an\u2019i Tyro. Sola mihitsy ny lohan\u2019izy rehetra, ary niendaka ny hoditra teo amin\u2019ny sorok\u2019izy rehetra. Tsy nahazo karama anefa na izy na ny tafiny, tamin\u2019ilay asa mafy nataony tany Tyro.",
        "19": "\u201cIzao \u00e0ry no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u2018Homeko an\u2019i Nebokadnezara mpanjakan\u2019i Babylona ny tanin\u2019i Ejipta, ka halainy ny harena ao. Dia haka babo be dia be izy sady handroba azy. Izany no ho karaman\u2019ny tafiny.\u2019",
        "20": "\u201c\u2018Homeko ho karaman\u2019izy ireo i Ejipta satria niasa mafy izy ireo rehefa nandrava azy. Niasa ho ahy mantsy izy ireo\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.",
        "21": "\u201cDia hataoko misy tandroka maniry ho an\u2019ny taranak\u2019Israely, amin\u2019izay andro izay. Ary havelako hiteny eo amin\u2019izy ireo ianao. Dia tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah.\u201d"
    },
    "30": {
        "1": "Dia niteny tamiko indray i Jehovah hoe:",
        "2": "\u201cRy zanak\u2019olona, maminania hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u201cMidradradradr\u00e0 ianareo, ka mitenena hoe: \u2018Indrisy fa ho avy ilay andro!\u2019",
        "3": "Fa efa akaiky ilay andro. Efa akaiky tokoa ny andron\u2019i Jehovah. Ho andro mandrahona izany, ary ho fotoana voatondro hitsarana an\u2019ireo firenena.",
        "4": "Hisy sabatra hamely an\u2019i Ejipta, ary hitebiteby i Etiopia rehefa miampatrampatra any Ejipta ny fatin\u2019izay novonoina. Dia hisy haka ny harenany, ary hisy handrava ny fototra iorenany.",
        "5": "Ho fatin\u2019ny sabatra daholo i Etiopia, Pota, Loda, ary ny olona avy any amin\u2019ny firenena hafa rehetra. Ho fatin\u2019ny sabatra koa i Koba, Sy ny mponina ao amin\u2019ilay tany voafehin\u2019ny fifanekena.\u201d\u2019",
        "6": "Izao no tenin\u2019i Jehovah: \u2018Ho faty koa ny mpanohana an\u2019i Ejipta, Ary hahena ny heriny izay nampirehareha azy.\u2019 \u201c\u2018Ho fatin\u2019ny sabatra ao amin\u2019ilay tany izy ireo, hatrany Migdola ka hatrany Syena\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.",
        "7": "\u2018Ireo no ho lasa ngazana indrindra amin\u2019ny tany rehetra, ary ny tan\u00e0nany no ho tan\u00e0na rava tanteraka.",
        "8": "Rehefa mandrehitra afo any Ejipta aho, ka ho torotoro izay rehetra nifanaraka taminy, dia tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah.",
        "9": "Haniraka olona handeha sambo aho amin\u2019izany andro izany, ka hataon\u2019izy ireo izay hampangovitra an\u2019i Etiopia, ilay matoky tena loatra. Hisahotaka ireny amin\u2019ilay andro hamelezana an\u2019i Ejipta, fa ho tonga tokoa ilay andro.\u2019",
        "10": "\u201cIzao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u2018Hofongorako ny vahoakan\u2019i Ejipta, ka i Nebokadnezara mpanjakan\u2019i Babylona no hampiasaiko amin\u2019izany.",
        "11": "Hoentiko any mba handrava an\u2019ilay tany izy sy ny tafiny, dia firenena tena tsy misy antra mihitsy. Hanatsoaka ny sabany hamely an\u2019i Ejipta izy ireo, ka hiampatrampatra eran\u2019ilay tany ny faty.",
        "12": "Dia hataoko lasa tany maina ny lakandranon\u2019i Neily, ary hamidiko amin\u2019ny ratsy fanahy ilay tany. Hasaiko hataon\u2019ny hafa firenena lasa tsy misy mponina koa ilay tany, ary hasaiko haripany izay rehetra ao. Izaho Jehovah no efa niteny.\u2019",
        "13": "\u201cIzao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u2018Hopotehiko koa ny sampy maharikoriko, ary hofoanako ireo andriamanitra tsy misy dikany ao Nofa. Tsy hisy andriana avy any Ejipta intsony, ary hataoko lasa matahotra daholo ny olona any.",
        "14": "Hataoko lasa tsy misy mponina i Patrosa. Handrehitra afo ao Zoana aho, ary hampiharako didim-pitsarana ny ao No.",
        "15": "Hanamparako ny hatezerako i Sina, ilay tan\u00e0na voaro mafy any Ejipta, ary haringako ny mponin\u2019i No.",
        "16": "Handrehitra afo any Ejipta aho. Dia hatahotra be i Sina, ary ho voagorobaka i No.\u00a0Hisy hanafika amin\u2019ny andro antoandro kosa i Nofa.",
        "17": "Ho fatin\u2019ny sabatra ny tovolahy ao Ona sy Pibeseta, ary ho lasa babo ny ao an-tan\u00e0na.",
        "18": "Ho maizina ny andro ao Tapanesa, rehefa tapahiko ny ziogan\u2019i Ejipta. Dia hifarana hatreo ilay heriny izay nireharehany. Ho rakotry ny rahona izy, dia ho lasa babo ny ao an-tan\u00e0nany.",
        "19": "Dia hampihatra didim-pitsarana amin\u2019i Ejipta aho, ka tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah.\u2019\u201d",
        "20": "Ary niteny tamiko i Jehovah tamin\u2019ny andro fahafiton\u2019ny volana voalohany, tamin\u2019ny taona faha-11, hoe:",
        "21": "\u201cRy zanak\u2019olona, notapahiko ny sandrin\u2019i Farao mpanjakan\u2019i Ejipta. Dia tsy hofonosina ilay izy ka tsy ho sitrana. Tsy hasiana fehy lamba koa ilay izy ka tsy hahavita hitana sabatra.\u201d",
        "22": "\u201cIzao \u00e0ry no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u2018Hamely an\u2019i Farao mpanjakan\u2019i Ejipta aho, ka hotapahiko ny sandriny roa, na ilay mbola matanjaka na ilay efa tapaka. Dia hataoko latsaka avy eny an-tanany ny sabatra.",
        "23": "Avy eo dia haparitako any amin\u2019ireo firenena ny Ejipsianina, ka haeliko any amin\u2019ny tany samihafa.",
        "24": "Hohatanjahiko ny sandrin\u2019ny mpanjakan\u2019i Babylona, dia hataoko eo an-tanany ny sabatro. Hotapahiko kosa ny sandrin\u2019i Farao, ka hitrona mafy hoatran\u2019ny olona efa ho faty izy, eo anatrehany.",
        "25": "Hohatanjahiko ny sandrin\u2019ny mpanjakan\u2019i Babylona, fa ny sandrin\u2019i Farao kosa ho lasa malemy. Rehefa ataoko eo an-tanan\u2019ny mpanjakan\u2019i Babylona ny sabatro, ka hampiasainy hamelezana an\u2019i Ejipta, dia tsy maintsy ho fantatry ny olona fa izaho no Jehovah.",
        "26": "Dia haparitako any amin\u2019ireo firenena ny Ejipsianina, ary haeliko any amin\u2019ny tany samihafa. Koa tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah.\u2019\u201d"
    },
    "31": {
        "1": "Dia niteny tamiko indray i Jehovah tamin\u2019ny andro voalohan\u2019ny volana fahatelo, tamin\u2019ny taona faha-11, hoe:",
        "2": "\u201cRy zanak\u2019olona, lazao amin\u2019i Farao mpanjakan\u2019i Ejipta sy ny vahoakany hoe: \u2018Iza no lehibe hoatr\u2019anao?",
        "3": "Toy ny Asyrianina anankiray ianao, sady hoatran\u2019ny sedera any Lib\u00e0na. Tsara be ny sampan\u2019ilay hazo sady nanome alokaloka, ary avo be ilay izy. Tonga hatreny amin\u2019ny rahona ny tendrony.",
        "4": "Azon-drano tsara izy ka lasa hazo lehibe. Ny loharano lalina no nahatonga azy ho avo\u00a0be. Nisy renirano be dia be nanodidina ny toerana nambolena azy, Ary ny lakandrano avy amin\u2019ireny no nanondraka ny hazo rehetra teny an-tsaha.",
        "5": "Izany no nahatonga azy ho avo noho ny hazo rehetra teny an-tsaha. Nihamaro ny sampany, ary vao mainka nihalava ny rantsany, Satria nahazo rano be avy tamin\u2019ny renirano izy.",
        "6": "Nanao ny akaniny teny amin\u2019ny sampany ny vorona rehetra eny amin\u2019ny lanitra. Teo ambany rantsany ny bibidia rehetra no niteraka, Ary teo ambany alokalony ny firenena rehetra be mponina no nipetraka.",
        "7": "Lasa niavaka be izy satria tsara tarehy, sady lava be koa ny rantsany. Tonga hatrany anaty rano be mantsy ny fakany.",
        "8": "Tsy nisy nitovy taminy ny sedera tao amin\u2019ny zaridainan\u2019Andriamanitra. Tsy nisy hazo zenevrie nanana sampana hoatran\u2019ny azy, Ary tsy nisy hazo platana nanana rantsana toy ny azy. Tsy nisy tsara tarehy hoatr\u2019azy koa ny hazo tao amin\u2019ny zaridainan\u2019Andriamanitra.",
        "9": "Nataoko tsara tarehy sy be ravina izy, Ka nitsiriritra azy daholo ny hazo tao Edena, tao amin\u2019ny zaridainan\u2019ilay tena Andriamanitra.\u2019",
        "10": "\u201cIzao \u00e0ry no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u2018Noho izy lasa avo be ka nataony tonga hatreny amin\u2019ny rahona ny tendrony, ary lasa niavonavona ny fony satria izy avo be,",
        "11": "dia hatolotro an\u2019ilay mpitondra mahery\u00a0be mifehy an\u2019ireo firenena izy. Dia tena hamely azy io mpitondra io, ary izaho indray hanary azy noho ny faharatsiany.",
        "12": "Hikapa azy ny hafa firenena, dia firenena faran\u2019izay tsy mifaditrovana. Havelan\u2019izy ireo ho irery eny an-tendrombohitra izy, ka hihintsana eny amin\u2019ny lohasaha rehetra ny raviny. Ho tapaka ny rantsany ka ho latsaka eny amin\u2019ny renirano rehetra eo amin\u2019ilay tany. Dia hiala avy eo ambany alokalony ny firenena rehetra ka handao azy.",
        "13": "Hipetraka eo amin\u2019ny vatan\u2019ilay hazo efa midaboka ny vorona rehetra eny amin\u2019ny lanitra, ary hipetraka eny amin\u2019ny rantsany ny bibidia rehetra.",
        "14": "Amin\u2019izay dia tsy hisy ho lasa avo be intsony ny hazo eny amoron-drano, ary tsy ho tonga hatreny amin\u2019ny rahona ny tendrony. Tsy hisy ho lasa avo be hanakatra ny rahona koa ny hazo azon-drano. Hovonoina ho faty daholo mantsy ireny, ka ho any ambanin\u2019ny tany miaraka amin\u2019ny zanak\u2019olombelona, izay midina any anaty lavaka.\u2019",
        "15": "\u201cIzao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u2018Hataoko misaona azy ny olona, amin\u2019ny andro hidinany any amin\u2019ny Fasana. Koa hosaronako ny rano lalina ka hataoko tsy mikoriana intsony ny reniranony, mba ho tampina ny rano be. Hataoko maizina i Lib\u00e0na noho ny aminy, ary halazo ny hazo rehetra any an-tsaha.",
        "16": "Hataoko mangovitra ireo firenena rehefa maheno ny fidoboky ny fianjerany, rehefa ampidiniko any amin\u2019ny Fasana izy, miaraka amin\u2019izay rehetra midina any anaty lavaka. Dia hampionona ny hazo rehetra ao Edena izany, dia ny hazo voafantina sy tsara indrindra any Lib\u00e0na, izay samy azon-drano tsara.",
        "17": "Efa any amin\u2019ny Fasana miaraka aminy mantsy izy ireo, any amin\u2019izay matin\u2019ny sabatra. Any koa ny mpanohana azy, izay nipetraka teo ambany alokalony, teo amin\u2019ireo firenena.\u2019",
        "18": "\u201c\u2018Iza amin\u2019ny hazo tao Edena no be voninahitra sy lehibe hoatr\u2019anao? Hampidinina any ambanin\u2019ny tany miaraka amin\u2019ny hazo tao Edena anefa ianao. Hiara-mivalampatra amin\u2019ny olona tsy mifora ianao, dia amin\u2019ny olona matin\u2019ny sabatra. Izany no hanjo an\u2019i Farao sy ny vahoakany rehetra\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.\u201d"
    },
    "32": {
        "1": "Dia niteny tamiko indray i Jehovah tamin\u2019ny andro voalohan\u2019ny volana faha-12, tamin\u2019ny taona faha-12, hoe:",
        "2": "\u201cRy\u00a0zanak\u2019olona, manaova hira fisaonana an\u2019i Farao mpanjakan\u2019i Ejipta, ka lazao aminy hoe: \u2018Hoatran\u2019ny liona tanora matanjaka ianao teo amin\u2019ireo firenena, Nefa natao izay hampangina anao. Hoatran\u2019ny biby ngezabe any an-dranomasina ianao, ka nipelipelika nampitobaka rano teny amin\u2019ny renirano. Dia nokobakobaninao tamin\u2019ny tongotrao ny rano mba hiakaran\u2019ny fotaka, ary nolotoinao ny renirano.\u2019",
        "3": "Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u2018Hatsipiko eo aminao ny haratoko, ka firenena be dia be mitambatra no hampiasaiko hanao an\u2019izany. Dia hakarin\u2019izy ireo amin\u2019ilay haratoko ianao.",
        "4": "Hilaozako eny an-tanety ianao, Ary hatsipiko eny an-tsaha. Hataoko mipetraka eny amboninao ny vorona rehetra eny amin\u2019ny lanitra, Ka hataoko voky anao ny bibidia eran-tany.",
        "5": "Hatsipiko eny an-tendrombohitra ny nofonao, Dia hofenoiko an\u2019izay sisa tavela amin\u2019ny fatinao ny lohasaha.",
        "6": "Hataoko hotsaky ny ranao mifantsitsitra\u00a0be ny tany, hatreny an-tendrombohitra, Dia ho feno ny ranao ny renirano.\u2019",
        "7": "\u2018Rehefa tapitra ny ainao, dia hosaronako ny lanitra ary hataoko maizina ny kintana. Hotakonako rahona ny masoandro, Ary tsy hanome hazavana ny volana.",
        "8": "Hataoko maizina daholo ny zavatra manazava eny amin\u2019ny lanitra, noho ny nataonao. Dia hosaronako haizina ny taninao, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.",
        "9": "\u2018Hataoko kivy ny fon\u2019ny vahoaka maro, Rehefa alefako any amin\u2019ny firenena hafa ny olona nataonao babo, dia any amin\u2019ny tany mbola tsy fantatrao.",
        "10": "Hataoko matahotra be ny firenena maro noho ny aminao, Ary hangovitra sy hihorohoro ny mpanjakany rehefa arangarangako eo alohany ny sabatro. Hangovitra foana izy ireo, satria samy hatahotra ny ho faty, Amin\u2019ny andro hianjeranao.\u2019",
        "11": "Fa izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u2018Hamely anao ny sabatry ny mpanjakan\u2019i Babylona.",
        "12": "Hataoko matin\u2019ny sabatra ny vahoakanao, dia ny sabatry ny miaramila matanjaka. Firenena faran\u2019izay tsy miantra olona no niavian\u2019izy rehetra. Haetrin\u2019izy ireo i Ejipta fa mirehareha, ary haripany daholo ny vahoakany.",
        "13": "Haringako daholo ny biby fiompiny eny akaikin\u2019ny rano\u00a0be. Dia tsy hisy hanakobakobana an\u2019izany rano izany intsony, na tongotr\u2019olombelona na kitron\u2019ny biby fiompy.\u2019",
        "14": "\u2018Amin\u2019izany andro izany, dia havelako hitsika ny fotaka mba hadio ilay rano, Ka hataoko mikoriana hoatran\u2019ny menaka ny reniranony\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.",
        "15": "\u2018Rehefa ataoko ngazana i Ejipta ka tsy misy na inona na inona intsony, Ary rehefa vonoiko daholo ny mponina rehetra\u00a0ao, Dia tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah.",
        "16": "Hira fisaonana izany, ka hohirain\u2019ny olona amin\u2019ny feo mitaraindraina. Hihira an\u2019izany koa ny zanakavavin\u2019ireo firenena. Hihira an\u2019izany izy ireo mba hisaonana an\u2019i Ejipta sy ny vahoakany rehetra\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.\u201d",
        "17": "Dia niteny tamiko indray i Jehovah tamin\u2019ny andro faha-15 amin\u2019ny volana, tamin\u2019ny taona faha-12, hoe:",
        "18": "\u201cRy zanak\u2019olona, mitomania an\u2019ireo vahoakan\u2019i Ejipta, ary ampidino any ambanin\u2019ny tany miaraka amin\u2019izay midina any anaty lavaka izy sy ny zanakavavin\u2019ireo firenena matanjaka.",
        "19": "\u201c\u2018Angaha ianao tsara tarehy noho ny olon-kafa? Mid\u00ecna dia mandehana mivalampatra miaraka amin\u2019ny tsy mifora!\u2019",
        "20": "\u201c\u2018Ho faty miaraka amin\u2019ny olona novonoina tamin\u2019ny sabatra izy ireo. Navela ho fatin\u2019ny sabatra i Ejipta. Taritarito izy sy ny vahoakany rehetra.",
        "21": "\u201c\u2018Avy any amin\u2019ny Fasana ireo miaramila matanjaka indrindra no hiresaka aminy sy amin\u2019izay manampy azy. Ho fatin\u2019ny sabatra izy ireo, dia hidina any tokoa, ary hivalampatra any, hoatran\u2019ny tsy mifora.",
        "22": "Any no misy an\u2019i Asyria sy ny vahoakany rehetra. Manodidina azy ny fasan\u2019ny Asyrianina, fa matin\u2019ny sabatra izy rehetra.",
        "23": "Any anaty lavaka lalina\u00a0be ireny fasany ireny. Manodidina an\u2019ireny fasany ireny ny vahoakany. Matin\u2019ny sabatra daholo izy rehetra, satria nampihorohoro tao amin\u2019ny tanin\u2019ny velona.",
        "24": "\u201c\u2018Manodidina ny fasany i Elama sy ny vahoakany rehetra, ary matin\u2019ny sabatra daholo. Nidina tsy mifora any ambanin\u2019ny tany izy ireo, satria nampihorohoro tao amin\u2019ny tanin\u2019ny velona. Ho afa-baraka miaraka amin\u2019izay midina any anaty lavaka izy ireo izao.",
        "25": "Nanamboatra fandriana ho an\u2019i Elama teo amin\u2019izay novonoina izy ireo, izany hoe teo amin\u2019ny vahoakany rehetra manodidina ny fasany. Tsy mifora daholo ireo, sady matin\u2019ny sabatra, satria nampihorohoro tao amin\u2019ny tanin\u2019ny velona. Dia ho afa-baraka miaraka amin\u2019izay midina any anaty lavaka izy ireo. Nampiarahina tamin\u2019ny olona novonoina i Elama.",
        "26": "\u201c\u2018Any no misy an\u2019i Meseka sy Tobala ary ny vahoakany rehetra. Manodidina azy ny fasan\u2019izy ireo. Tsy mifora daholo ireo, sady voatrobaky ny sabatra, satria nampihorohoro tao amin\u2019ny tanin\u2019ny velona.",
        "27": "Ireo ve dia tsy hiara-mivalampatra amin\u2019ny miaramila matanjaka sady tsy mifora? Maty izy ireny ka nidina tany amin\u2019ny Fasana niaraka tamin\u2019ny fitaovam-piadiany. Hataon\u2019izy ireo eo ambany lohany ny sabany, fa ho eo ambony taolany kosa ny fahotany. Nampihorohoro tao amin\u2019ny tanin\u2019ny velona mantsy ireny miaramila matanjaka ireny.",
        "28": "Ianao kosa ho torotoro miaraka amin\u2019ny tsy mifora, ka hiara-mivalampatra amin\u2019ireo novonoina tamin\u2019ny sabatra.",
        "29": "\u201c\u2018Any koa no misy an\u2019i Edoma sy ny mpanjakany ary ny mpiadidiny rehetra. Nampiarahina tamin\u2019ny olona matin\u2019ny sabatra izy ireo, na dia matanjaka aza. Hiara-mivalampatra amin\u2019ny tsy mifora sy amin\u2019izay midina any anaty lavaka koa izy ireo.",
        "30": "\u201c\u2018Any no misy ny andriana rehetra avy any avaratra, sy ny Sidonianina rehetra. Niara-nidina tamin\u2019izay novonoina izy ireo sady afa-baraka, na dia nampihorohoro aza satria hoe matanjaka. Hiara-mivalampatra amin\u2019izay novonoina tamin\u2019ny sabatra ireny tsy mifora ireny, ary ho afa-baraka miaraka amin\u2019izay midina any anaty lavaka.",
        "31": "\u201c\u2018Ho hitan\u2019i Farao daholo izany, ka hionona izy rehefa mahita an\u2019izay rehetra mitranga amin\u2019ny vahoakany. Ho fatin\u2019ny sabatra i Farao sy ny miaramilany rehetra\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.",
        "32": "\u201c\u2018Nampihorohoro tao amin\u2019ny tanin\u2019ny velona i Farao, ka halevina miaraka amin\u2019ireo tsy mifora matin\u2019ny sabatra izy sy ny vahoakany rehetra\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.\u201d"
    },
    "33": {
        "1": "Ary niteny tamiko i Jehovah hoe:",
        "2": "\u201cRy zanak\u2019olona, miresaha amin\u2019ny zanaky ny firenenao, ka lazao aminy hoe: \u201c\u2018Andeha hatao hoe mitondra sabatra hamely ny tany iray aho. Ary mifidy lehilahy iray ny olona rehetra ao amin\u2019ilay tany mba hataony mpitily.",
        "3": "Dia hitan\u2019ilay lehilahy hoe iny fa misy sabatra hamely an\u2019ilay tany, ka mitsoka anjombona izy mba hampitandremana ny olona.",
        "4": "Raha misy olona maheno an\u2019ilay feon\u2019anjombona nefa tsy miraharaha an\u2019ilay fampitandremana, ka matin\u2019ny sabatra izy, dia izy ihany no ho tompon\u2019andraikitra amin\u2019ny fahafatesany.",
        "5": "Naheno an\u2019ilay feon\u2019anjombona izy saingy tsy niraharaha an\u2019ilay fampitandremana, dia izy ihany no ho tompon\u2019andraikitra amin\u2019ny fahafatesany. Ho nahavonjy ny ainy anefa izy raha nihaino an\u2019ilay fampitandremana.",
        "6": "\u201c\u2018Raha hitan\u2019ilay mpitily kosa hoe iny fa avy ny sabatra nefa tsy mitsoka anjombona izy, ka tsy mahazo fampitandremana ny olona, ary tonga tokoa ilay sabatra ka mahafaty olona, dia ho faty noho ny fahadisoany ilay olona. Ilay mpitily kosa anefa hataoko tompon\u2019andraikitra amin\u2019ny ran\u2019ilay olona.\u2019",
        "7": "\u201cAry ianao, ry zanak\u2019olona, notendreko ho mpitily ho an\u2019ny taranak\u2019Israely ianao. Dia tsy maintsy mampitandrina azy ireo ianao rehefa maheno an\u2019izay lazaiko.",
        "8": "Raha miteny amin\u2019ny ratsy fanahy aho hoe: \u2018Tena ho faty ianao, ry ratsy fanahy!\u2019, nefa tsy mampitandrina azy ianao mba hiovany, dia ho faty noho ny fahadisoany ilay ratsy fanahy, fa ianao kosa hataoko tompon\u2019andraikitra amin\u2019ny rany.",
        "9": "Raha mampitandrina ny ratsy fanahy anefa ianao mba hialany amin\u2019ny ratsy fanaony, fa izy no tsy mety miova, dia ho faty noho ny fahadisoany izy, fa ny ainao indray azo antoka hoe ho voavonjinao.",
        "10": "\u201cRy zanak\u2019olona, lazao amin\u2019ny taranak\u2019Israely hoe: \u2018Hoy ianareo: \u201cMavesatra\u00a0be aminay ny fikomianay sy ny fahotanay, ka reraka izahay. Koa ahoana no hataonay mba ho velona foana izahay?\u201d\u2019",
        "11": "Lazao aminy hoe: \u2018\u201cRaha mbola velona koa aho\u201d, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, \u201cdia tsy sitrako mihitsy ny hahafatesan\u2019ny ratsy fanahy, fa tiako izy hiova dia ho velona foana. Mial\u00e0, mial\u00e0 amin\u2019ny ratsy fanaonareo. Sa ve ianareo te ho faty, ry taranak\u2019Israely\u00a0\u00f4?\u201d\u2019",
        "12": "\u201cRy zanak\u2019olona, lazao amin\u2019ny zanaky ny firenenao hoe: \u2018Tsy hahavonjy ny olo-marina ny zavatra tsara nataony, raha lasa mikomy izy. Tsy hahafaty ny ratsy fanahy koa ny zava-dratsy nataony, raha miala amin\u2019ny fanaony izy. Ary tsy hahavonjy ny olo-marina ny zavatra tsara nataony, amin\u2019ny andro anotany.",
        "13": "Raha hoy aho amin\u2019ny olo-marina: \u201cAzo antoka fa ho velona ianao\u201d, nefa izy manao ratsy satria matoky hoe olo-marina izy, dia tsy hisy hotsaroana intsony ny zavatra tsara rehetra nataony, fa ho faty noho ny ratsy nataony izy.",
        "14": "\u201c\u2018Ary raha hoy aho amin\u2019ny ratsy fanahy: \u201cTena ho faty ianao\u201d, dia avy eo izy miala amin\u2019ny fahotany ary manao ny rariny sy ny hitsiny,",
        "15": "ka averiny ny antoka nalainy sady onerany ny zavatra nangalariny, ary manaraka ny lal\u00e0na mahavelona izy fa tsy manao ratsy, dia azo antoka fa ho velona izy, fa tsy ho faty.",
        "16": "Tsy hosazina izy na inona na inona fahotana nataony. Manao ny rariny sy ny hitsiny izy, ka azo antoka fa ho velona.\u2019",
        "17": "\u201cHoy anefa ny firenenao: \u2018Tsy rariny ny ataon\u2019i Jehovah!\u2019 Ny ataon\u2019izy ireo mihitsy anefa no tsy rariny.",
        "18": "\u201cRaha tsy manao ny tsara intsony ny olo-marina fa lasa manao ratsy, dia ho faty izy noho izany.",
        "19": "Fa raha miala amin\u2019ny ratsy fanaony ny ratsy fanahy, ka manao ny rariny sy ny hitsiny, dia ho velona izy satria nanao an\u2019izany.",
        "20": "\u201cHoy anefa ianareo: \u2018Tsy rariny ny ataon\u2019i Jehovah!\u2019 Koa hotsaraiko arakaraka izay nataonareo avy ianareo, ry taranak\u2019Israely\u00a0\u00f4!\u201d",
        "21": "Tat\u1ef3 aoriana, dia nisy lehilahy afa-nandositra avy any Jerosalema tonga tao amiko, tamin\u2019ny andro fahadimin\u2019ny volana fahafolo, tamin\u2019ny taona faha-12 nanaovana sesitany anay. Dia hoy izy: \u201cRava ilay tan\u00e0na!\u201d",
        "22": "Niasa tamiko ny herin\u2019i Jehovah ny takariva talohan\u2019ny nahatongavan\u2019ilay lehilahy nandositra. Dia efa nosokafan\u2019Andriamanitra ny vavako, talohan\u2019ny nahatongavan\u2019ilay lehilahy ny ampitso maraina. Nisokatra \u00e0ry ny vavako ka tsy moana intsony aho.",
        "23": "Ary niteny tamiko i Jehovah hoe:",
        "24": "\u201cRy zanak\u2019olona, hoy ny mponin\u2019ireny tan\u00e0na rava ireny momba ny tanin\u2019ny Israely: \u2018I Abrahama irery aza nahavita naka an\u2019io tany io, koa mainka fa isika be dia be ireto? Efa nomena antsika mihitsy io tany io.\u2019",
        "25": "\u201cLazao amin\u2019izy ireo \u00e0ry hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u201cMihinan-kena mbola misy ra ianareo, sady miandrandra an\u2019ireo sampinareo maharikoriko, ary mandatsa-dra foana. Koa nahoana moa no ho lasanareo io tany io?",
        "26": "Miantehitra amin\u2019ny sabatrareo ianareo, ary zavatra maharikoriko no ataonareo fanao, sady mandoto ny vadin\u2019ny namanareo avy ianareo. Koa nahoana moa no ho lasanareo io tany io?\u201d\u2019",
        "27": "\u201cIzao no holazainao aminy: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u201cRaha mbola velona koa aho, dia ho fatin\u2019ny sabatra izay mipetraka ao amin\u2019ireo tan\u00e0na rava ireo. Izay any an-tsaha kosa homeko ho sakafon\u2019ny bibidia. Ary izay ao amin\u2019ny toerana voaro mafy sy any anaty lava-bato indray ho fatin\u2019 ny aretina.",
        "28": "Hataoko ngazana tanteraka ilay tany. Hataoko tsy afaka mirehareha intsony izy. Ary hatao tsy hisy mponina eny amin\u2019ny tendrombohitr\u2019i Israely, ka tsy hisy mpandalo intsony.",
        "29": "Dia tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah, rehefa ataoko ngazana tanteraka ilay tany, noho ny zavatra maharikoriko rehetra nataon\u2019izy ireo.\u201d\u2019",
        "30": "\u201cRy zanak\u2019olona, samy miresaka anao eny am-bodirindrina sy eny am-baravaran\u2019ny tranony ny firenenao. Mifampiresaka amin\u2019ny rahalahiny izy ireo hoe: \u2018Andao isika hihaino ny tenin\u2019i Jehovah!\u2019",
        "31": "Dia hirohotra hankao aminao izy ireo, ka hipetraka eo anoloanao toy ny fanaon\u2019ny vahoakako. Haheno ny teninao izy ireo nefa tsy hanaraka an\u2019izany. Fa mandokadoka anao izy ireo, nefa ny fony tia tombony tsy ara-drariny.",
        "32": "Amin\u2019izy ireo, dia hoatran\u2019ny olona manga feo mahay mitendry zavamaneno sady manao hiram-pitiavana ianao. Haheno ny teninao izy ireo nefa tsy hisy hanaraka an\u2019izany.",
        "33": "Rehefa tanteraka izany, ary tsy maintsy ho tanteraka tokoa, dia tsy maintsy ho fantany fa efa nisy mpaminany teo aminy.\u201d"
    },
    "34": {
        "1": "Dia niteny tamiko indray i Jehovah hoe:",
        "2": "\u201cRy\u00a0zanak\u2019olona, maminania hoe hisy loza hanjo an\u2019ireo mpiandry ondry eo amin\u2019ny Israely. Maminania ka lazao amin\u2019ireo mpiandry ireo hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u201cHahita loza ny mpiandry ondry any Israely, izay mamahan-tena fotsiny! Tsy ny andian\u2019ondry ve no tokony homeny sakafo?",
        "3": "Haninareo ny taviny, ataonareo akanjo ny volonondry, ary vonoinareo ny ondry matavy indrindra, nefa ny andian\u2019ondry tsy omenareo sakafo.",
        "4": "Tsy hatanjahinareo ny malemy, tsy sitraninareo ny marary, tsy asianareo fehy lamba ny maratra, tsy averinareo izay diso lalana, ary tsy tadiavinareo ny very. Ianareo no mpitondra azy ireny, nefa nasiaka\u00a0be sady nanjakazaka taminy ianareo.",
        "5": "Dia niparitaka izy ireo satria tsy nisy mpiandry. Niparitaka tokoa izy ireo ka lanin\u2019ny bibidia rehetra.",
        "6": "Nirenireny teny amin\u2019ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra teny ny ondriko. Niparitaka nanerana ny tany izy ireo, nefa tsy mba nisy nikaroka na nitady.",
        "7": "\u201c\u2018\u201cHenoy \u00e0ry ny tenin\u2019i Jehovah, ry\u00a0mpiandry ondry:",
        "8": "\u2018\u201cLasa remby sy lanin\u2019ny bibidia ny ondriko satria tsy nisy mpiandry. Ny mpiandry koa tsy nitady ny ondriko fa namahan-tena fotsiny, ka tsy nomeny sakafo ny ondriko. Raha mbola velona koa aho\u201d, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony,",
        "9": "dia henoy \u00e0ry ny tenin\u2019i Jehovah, ry mpiandry ondry.",
        "10": "Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u2018Homelohiko ny mpiandry ondry ka hataoko ampamoaka noho ny amin\u2019ny ondriko. Tsy havelako hiandry ny ondriko intsony izy, ka tsy hamahan-tena intsony. Dia hovonjeko avy eo am-bavany ny ondriko, ka tsy ho laniny intsony.\u2019\u201d",
        "11": "\u201c\u2018Fa izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u201cEto aho, ary izaho mihitsy no hitady ny ondriko sy hikarakara azy.",
        "12": "Hokarakaraiko ny ondriko, toy ny ataon\u2019ny mpiandry ondry manome sakafo ny ondriny izay efa niparitaka nefa hitany indray. Ary hovonjeko izy ireo, hovonjeko avy any amin\u2019ny toerana rehetra niparitahany tamin\u2019ny andro nandrahona sy maizim-pito.",
        "13": "Havoakako avy any amin\u2019ireo firenena izy ireo, ary hangoniko avy any amin\u2019 ny tany samy hafa ka hoentiko ao amin\u2019ny taniny. Hiandry ny ondriko eny amin\u2019ny tendrombohitr\u2019i Israely aho, dia eny amoron\u2019ny renirano sy eny amin\u2019izay rehetra azo onenana ao amin\u2019ilay tany.",
        "14": "Eny amin\u2019ny tanimbilona tsara aho no hiandry azy ireo, ary eny amin\u2019ny tendrombohitra avon\u2019i Israely izy ireo no hiraoka ahitra. Hitsilailay eny amin\u2019ny tanimbilona tsara eny izy ireo. Eny amin\u2019ny kijana feno ahi-maitso izy ireo no hiraoka ahitra, eny amin\u2019ny tendrombohitr\u2019i Israely.\u201d",
        "15": "\u201c\u2018\u201cIzaho mihitsy no hikarakara ny ondriko, ary izaho no hitondra azy any amin\u2019izay hatoriany\u201d, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.",
        "16": "\u201cIzay very hotadiaviko, izay diso lalana haveriko, ny maratra hasiako fehy lamba, ary ny malemy hohatanjahiko. Fa ny matavy sy ny matanjaka kosa haringako. Hotsaraiko izy dia hovaliako araka izay sahaza azy.\u201d",
        "17": "\u201c\u2018Fa ny aminareo indray, ry ondriko, izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony aminareo: \u201cEfa hitsara ny adin\u2019ny ondry samy ondry aho, ary hitsara ny ondrilahy sy ny osilahy.",
        "18": "Tsy ampy anareo angaha ny mihinana eo amin\u2019ny tanimbilona tsara indrindra no mbola hosihosenareo koa ny tanimbilona sisa? Ary tsy ampy anareo angaha ny misotro amin\u2019ny rano madio indrindra no mbola itsakitsahinareo ny rano ka lasa maloto?",
        "19": "Eo amin\u2019ny tanimbilona hosihosenareo ve ny ondriko no hiraoka ahitra? Ary ny rano itsakitsahinareo ve no hosotroiny?\u201d",
        "20": "\u201c\u2018Izao \u00e0ry no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u201cEto aho, ary izaho mihitsy no hitsara ny ondry matavy sy ny ondry mahia.",
        "21": "Natositosikareo tamin\u2019ny tehezanareo sy ny sorokareo mantsy ny ondry marary rehetra, sady nanoto azy tamin\u2019ny tandrokareo ianareo, ka naparitakareo teny ivelany izy ireo.",
        "22": "Koa hovonjeko ny ondriko ka tsy hatao remby intsony. Dia hotsaraiko ny ondry samy ondry.",
        "23": "Hanendry mpiandry iray hikarakara ny ondriko aho, dia i Davida mpanompoko, ka homeny sakafo ireny. Izy mihitsy no hanome sakafo azy ireo ka ho lasa mpiandry azy.",
        "24": "Izaho Jehovah no ho Andriamaniny, ary i Davida mpanompoko no ho mpiadidy eo amin\u2019izy ireo. Izaho Jehovah no efa niteny.",
        "25": "\u201c\u2018\u201cDia hanao fifanekem-pihavanana amin\u2019izy ireo aho, ary hesoriko tanteraka ao amin\u2019ilay tany ny bibidia masiaka, ka hiadana sy hilamina izy ireo any an-tany efitra, ary hatory any an\u2019ala.",
        "26": "Ary hataoko mahazo fitahiana izy ireo sy ny faritra manodidina ny havoanako. Hataoko milatsaka ara-potoana koa ny orana. Dia hirotsaka hoatran\u2019ny orana ny fitahiana.",
        "27": "Hamoa ny hazo eny an-tsaha, ary hamokatra ny tany. Ary hiadana sy hilamina izy ireo ao amin\u2019ilay tany. Dia tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah rehefa tapahiko ny ziogany, ka hovonjeko amin\u2019izay manandevo azy izy.",
        "28": "Tsy hataon\u2019ny firenena remby intsony izy ireo, ary tsy hihinana azy ny bibidia eny ambonin\u2019ny tany. Hiadana sy hilamina izy ireo, ka tsy hisy hampatahotra azy.",
        "29": "\u201c\u2018\u201cHanaovako toeram-pambolena malaza izy ireo, ka tsy ho faty mosary ao amin\u2019ilay tany intsony, sady tsy hataon\u2019ireo firenena afa-baraka intsony.",
        "30": "\u2018Dia tsy maintsy ho fantany fa izaho Jehovah Andriamaniny no manampy azy ireo, ary vahoakako ny taranak\u2019Israely\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.\u201d\u2019",
        "31": "\u201c\u2018Ary ianareo, ry ondriko, ry\u00a0ondry karakaraiko, olombelona ihany ianareo, ary izaho no Andriamanitrareo\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.\u201d"
    },
    "35": {
        "1": "Dia niteny tamiko indray i Jehovah hoe:",
        "2": "\u201cRy\u00a0zanak\u2019olona, mitodiha any amin\u2019ny faritra be\u00a0tendrombohitr\u2019i Seira, ka maminania hoe hisy loza hanjo azy.",
        "3": "Lazao aminy hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u201cHomelohiko ianao, ry\u00a0faritra be\u00a0tendrombohitr\u2019i Seira, ka hanatsotra ny tanako hamely anao aho. Dia hataoko lasa ngazana ianao.",
        "4": "Horavako tanteraka ireo tan\u00e0nanao, ary ianao ho lasa ngazana. Dia tsy maintsy ho fantatrao fa izaho no Jehovah.",
        "5": "Ianao mantsy nankahala ny Israelita foana, ary navelanao ho fatin\u2019ny sabatra izy ireo tamin\u2019ny fotoana nahitany loza, tamin\u2019ny fotoana nanasaziana farany azy ireo.\u201d\u2019",
        "6": "\u201c\u2018Raha mbola velona koa \u00e0ry aho\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, \u2018dia hatokako mba hovonoina ianao, ary hanenjika anao ny fahafatesana. Novonoinao ny olona nankahala anao, ka hanenjika anao ny fahafatesana.",
        "7": "Hataoko lasa ngazana ny faritra be\u00a0tendrombohitr\u2019i Seira. Haringako koa izay olona mandalo ao sy izay miverina ao.",
        "8": "Hataoko feno fatin\u2019olona ny tendrombohitra any. Ary hiampatrampatra eny amin\u2019ny havoana sy ny lohasaha ary ny renirano rehetra ao aminao ny olona matin\u2019ny sabatra.",
        "9": "Hataoko lasa tsy misy mponina mandrakizay ianao, ary tsy hisy hipetraka intsony ny tan\u00e0nanao. Dia tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho no Jehovah.\u2019",
        "10": "\u201cNilaza ianao hoe: \u2018Ho lasako ireo firenena sy tany roa ireo, ka samy halaintsika ho antsika!\u2019, nefa teo amin\u2019izy ireo i Jehovah.",
        "11": "\u2018Noho izany, raha mbola velona koa aho\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, \u2018dia hovaliako araka ny hatezerana sy ny fialonana nasehonao ianao, noho ianao nankahala azy ireo. Ary hataoko izay hahafantaran\u2019izy ireo ahy rehefa mitsara anao aho.",
        "12": "Dia tsy maintsy ho fantatrao fa izaho Jehovah no naheno ny teninao rehetra, tamin\u2019ianao naniratsira ny tendrombohitr\u2019i Israely ka niteny hoe: \u201cLasa tsy misy mponina ny tanin-dry zareo! Nomena antsika ireo, ka hataontsika indray mandrapaka!\u201d",
        "13": "Nirehareha er\u1ef3 ianareo nanaratsy ahy, sady niteniteny\u00a0be nanohitra ahy. Henoko daholo ireny!\u2019",
        "14": "\u201cIzao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u2018Hifaly ny tany manontolo rehefa ataoko lasa ngazana ianao.",
        "15": "Faly er\u1ef3 ianao rehefa lasa tsy nisy mponina ny lovan\u2019ny taranak\u2019Israely, ka hataoko hoatr\u2019izany koa ianao. Ho rava tanteraka ianao, ry\u00a0faritra be\u00a0tendrombohitr\u2019i Seira, dia i Edoma manontolo! Dia tsy maintsy ho fantatry ny olona fa izaho no Jehovah.\u2019\u201d"
    },
    "36": {
        "1": "\u201cRy zanak\u2019olona, maminania momba ny tendrombohitr\u2019i Israely hoe: \u2018Ry\u00a0tendrombohitr\u2019i Israely\u00a0\u00f4, henoy ny tenin\u2019i Jehovah.",
        "2": "Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u201cNaneso anareo ny fahavalo hoe: \u2018Tsara ho azy izay! Lasanay hatramin\u2019ny toerana avo efa teo hatry ny ela!\u2019\u201d\u2019",
        "3": "\u201cMaminania \u00e0ry hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u201cNataon\u2019izy ireo lasa tsy misy mponina ao aminareo sady notafihiny avy any amin\u2019ny vazan-tany efatra ianareo, mba ho lasa fananan\u2019izay sisa tsy maty avy any amin\u2019ireo firenena, sady hataon\u2019ny olona resaka sy hendrikendrehiny.",
        "4": "Koa henoy ny tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony, ry\u00a0tendrombohitr\u2019i Israely\u00a0\u00f4! Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony amin\u2019ny tendrombohitra, ny havoana, ny renirano, ny lohasaha, ny toerana rava tsy misy mponina, ary ny tan\u00e0na aolo, izay avy norobain\u2019ireo sisa tsy maty avy any amin\u2019ny firenena manodidina azy sady nesoiny.",
        "5": "Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony amin\u2019izy ireny: \u2018Tena hafana\u00a0fo aho rehefa manameloka an\u2019ireo sisa tsy maty avy any amin\u2019ny firenena, sy manameloka an\u2019i Edoma manontolo, izay faly\u00a0be sy nanesoeso daholo rehefa nilaza fa efa lasany ny taniko. Nanao an\u2019izany izy ireo satria te haka ny kijana ao sy handroba an\u2019ilay tany.\u2019\u201d\u2019",
        "6": "\u201cKoa maminania momba ny tanin\u2019ny Israely, ka lazao amin\u2019ny tendrombohitra sy ny havoana sy ny renirano ary ny lohasaha hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u201cHenoy izao! Hiteny aho sady hafana fo no ho tezitra, satria nataon\u2019ny firenena afa-baraka ianareo.\u201d\u2019",
        "7": "\u201cIzao \u00e0ry no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u2018Manangan-tanana aho ka mianiana fa ho menatra koa ny firenena manodidina anareo.",
        "8": "Fa ianareo kosa, ry\u00a0tendrombohitr\u2019i Israely, hisy sampana hipoitra eo aminareo ary hamokatra ho an\u2019ny Israely vahoakako ianareo, satria tsy ho ela izy ireo dia hiverina.",
        "9": "Fa manampy anareo aho ka hitsinjo anareo, dia hovolena sy hamafazam-boa ianareo.",
        "10": "Hataoko lasa be dia be ny vahoakanao, izany hoe ny taranak\u2019Israely manontolo, dia izy rehetra mihitsy. Dia hisy hipetraka ao amin\u2019ireo tan\u00e0na, ary haorina indray ireo toerana efa rava.",
        "11": "Hataoko lasa maro\u00a0be ny vahoakanareo sy ny biby fiompinareo, dia ho lasa be dia be izy ireny ary hiteraka maro. Hataoko lasa misy mponina toy ny taloha indray ao aminareo, ka hataoko miroborobo noho ny taloha. Dia tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho no Jehovah.",
        "12": "Ary hataoko misy vahoaka mandehandeha ao aminareo, dia ny Israely vahoakako. Ho lasa lovan\u2019izy ireo ianareo, ary tsy halainareo intsony ny zanany.\u2019\u201d",
        "13": "\u201cIzao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u2018Satria milaza aminareo ry\u00a0zareo hoe: \u201cTany mahafaty olona ianao, sady ataonao lasa tsy manan-janaka intsony ny firenenao\u201d\u2019,",
        "14": "\u2018dia tsy hahafaty olona na haka ny zanaky ny firenenao intsony ianao\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.",
        "15": "\u2018Tsy havelako hiteny ratsy anao intsony ireo firenena, sady tsy havelako hanesoeso anao ny olona. Tsy hanafintohina ny firenenao intsony koa ianao\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.\u201d",
        "16": "Dia niteny tamiko indray i Jehovah hoe:",
        "17": "\u201cRy\u00a0zanak\u2019olona, nolotoin\u2019ny taranak\u2019Israely tamin\u2019ny fomba fiainany sy ny fanaony ny taniny, rehefa nipetraka tao izy ireo. Naloto hoatran\u2019ny vehivavy tonga fotoana izy ireo tamiko, satria naloto fitondran-tena.",
        "18": "Koa nanamparako ny hatezerako izy ireo, noho ny ra nalatsany tao amin\u2019ilay tany, sy noho izy nandoto an\u2019ilay tany tamin\u2019ireo sampiny maharikoriko.",
        "19": "Dia naparitako tany amin\u2019ireo firenena izy ireo, ary naeliko tany amin\u2019ny tany samihafa. Notsaraiko arakaraka izay nataony sy izay vitany izy ireo.",
        "20": "Rehefa tonga tany amin\u2019ireny firenena ireny anefa izy ireo, dia nozimbazimbain\u2019ny olona ny anarako masina rehefa nilaza izy ireo hoe: \u2018Vahoakan\u2019i Jehovah ireo, nefa tsy maintsy niala tany amin\u2019ny taniny!\u2019",
        "21": "Koa harovako ny anarako masina, izay nozimbazimbain\u2019ny taranak\u2019Israely tany amin\u2019ireo firenena nandehanany.\u201d",
        "22": "\u201cLazao amin\u2019ny taranak\u2019Israely \u00e0ry hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u201cTsy noho ianareo no hanaovako an\u2019izany, ry\u00a0taranak\u2019Israely\u00a0\u00f4, fa noho ny anarako masina. Nozimbazimbainareo tany amin\u2019ireo firenena nandehananareo mantsy ny anarako masina.\u201d\u2019",
        "23": "\u2018Tsy maintsy hohamasiniko ny anarako be\u00a0voninahitra, izay nozimbazimbaina tany amin\u2019ireo firenena. Nozimbazimbainareo tany amin\u2019ireny ny anarako. Dia tsy maintsy ho fantatry ny firenena fa izaho no Jehovah\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, \u2018rehefa hamasinina eo aminareo aho, eo imason\u2019ireny.",
        "24": "Halaiko avy any amin\u2019ny firenena ianareo, ary hangoniko avy any amin\u2019ny tany rehetra, ka hoentiko any amin\u2019ny taninareo.",
        "25": "Dia hofafazako rano madio ianareo ka hadio. Hodioviko ianareo, ka ho afaka aminareo daholo ny fahalotoanareo sy ny sampy maharikoriko rehetra notompoinareo.",
        "26": "Homeko fo vaovao ianareo, ary toe-tsaina vaovao no hataoko ao anatinareo. Hesoriko ao anatinareo koa ilay fo vato, ka fo nofo no homeko anareo.",
        "27": "Hataoko ao anatinareo ny fanahiko, ary hataoko izay hanarahanareo ny fitsipiko. Dia hankat\u00f2 sy hanatanteraka ny didim-pitsarako ianareo.",
        "28": "Hipetraka ao amin\u2019ilay tany nomeko ny razambenareo ianareo avy eo. Dia ho lasa vahoakako ianareo, ary izaho ho Andriamanitrareo.\u2019",
        "29": "\u201c\u2018Hovonjeko ho afaka amin\u2019ny fahalotoanareo rehetra ianareo. Ary hantsoiko ny varimbazaha ka hataoko vokatra\u00a0be. Dia tsy havelako hisy mosary eo aminareo.",
        "30": "Hataoko mamoa\u00a0be ny hazo ary hataoko mamokatra\u00a0be ny eny an-tsaha, amin\u2019izay ianareo tsy ho tratran\u2019ny mosary ka tsy ho afa-baraka intsony eo imason\u2019ireo firenena.",
        "31": "Dia hotsaroanareo ny zava-dratsy fanaonareo, ka haharikoriko anareo ny tenanareo noho ny fahadisoanareo sy ny zavatra maharikoriko fanaonareo.",
        "32": "Fantaro anefa izao: Tsy noho ianareo no hanaovako an\u2019izany\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony. \u2018Tokony ho menatra sy hahatsiaro ho afa-baraka kosa ianareo noho ny nataonareo, ry\u00a0taranak\u2019Israely\u00a0\u00f4!\u2019",
        "33": "\u201cIzao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u2018Amin\u2019ny andro hanadiovako anareo ho afaka amin\u2019ny fahadisoanareo rehetra, dia hasiako mponina ao amin\u2019ireo tan\u00e0na, ary haorina indray izay efa rava.",
        "34": "Hovolena indray ilay tany efa hitan\u2019ny mpandalo rehetra hoe tsy nisy mponina.",
        "35": "Dia hiteny ny olona hoe: \u201cOay! Lasa hoatran\u2019ny zaridainan\u2019i Edena ilay tany tsy nisy mponina! Dia efa nohamafisina ny mandan\u2019ireo tan\u00e0na rava sy aolo, ka efa misy mponina ao amin\u2019ireo tan\u00e0na ireo izao.\u201d",
        "36": "Dia tsy maintsy ho fantatr\u2019ireo firenena sisa tavela manodidina anareo fa izaho Jehovah no manorina ny efa rava, sy mamboly indray eo amin\u2019ny tany tsy nisy mponina. Izaho Jehovah no niteny sy nanatanteraka an\u2019izany.\u2019",
        "37": "\u201cIzao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u2018Mbola havelako hangataka amiko koa ny taranak\u2019Israely hoe mba hatao lasa be dia be toy ny ondry ny mponina ao aminy. Dia tena hataoko izany!",
        "38": "Ho feno vahoaka ny tan\u00e0na rava teo aloha, dia vahoaka toy ny olona masina be dia be sy toy ny andian\u2019ondry ao Jerosalema rehefa fety. Dia tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah.\u2019\u201d"
    },
    "37": {
        "1": "Niasa tamiko ny herin\u2019i Jehovah, ka nentin\u2019i Jehovah tamin\u2019ny alalan\u2019ny fanahiny aho, dia napetrany teny afovoan\u2019ny tany lemaka feno taolam-paty.",
        "2": "Dia nasainy nandeha nanodidina an\u2019ireo taolana ireo aho, ka hitako hoe be dia be mihitsy ny taolana teo amin\u2019ilay tany lemaka sady maina\u00a0be daholo.",
        "3": "Nanontaniany aho hoe: \u201cRy\u00a0zanak\u2019olona, mety ho velona indray ve ireo taolana ireo?\u201d Dia hoy aho: \u201cIanao no mahalala an\u2019izany, ry\u00a0Jehovah Tompo Fara Tampony\u00a0\u00f4!\u201d",
        "4": "Dia hoy izy tamiko: \u201cMaminania momba an\u2019ireo taolana ireo, ka lazao aminy hoe: \u2018Henoy ny tenin\u2019i Jehovah, ry\u00a0taolana maina\u00a0\u00f4!",
        "5": "\u201c\u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony amin\u2019ireo taolana ireo: \u201cHasiako fofonaina ao aminareo, dia ho velona indray ianareo.",
        "6": "Hasiako hozatra sy nofo ianareo, ka hofonosiko hoditra. Hasiako fofonaina ao aminareo, dia ho velona indray ianareo. Ary tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho no Jehovah.\u201d\u2019\u201d",
        "7": "Dia naminany araka izay nasaina nataoko aho. Vao naminany aho, dia nisy feona zavatra nikatrokatroka, ka ireny fa nifanatona ireo taolana.",
        "8": "Dia hitako fa naniry hozatra sy nofo izy ireo, ary nisy hoditra nandrakotra azy. Mbola tsy nisy fofonaina anefa tao aminy.",
        "9": "Dia hoy Andriamanitra tamiko: \u201cMaminania amin\u2019ny rivotra. Maminania, ry\u00a0zanak\u2019olona, ka lazao amin\u2019ny rivotra hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u201cRy rivotra \u00f4, tongava avy any amin\u2019ny vazan-tany efatra, ka tsofy ireo olona novonoina ireo mba ho velona indray.\u201d\u2019\u201d",
        "10": "Naminany araka izay nasainy nataoko \u00e0ry aho, ka nisy fofonaina niditra tao amin\u2019izy ireo. Dia velona izy ireo ka nijoro tamin\u2019ny tongony, ary lasa tafika faran\u2019izay lehibe.",
        "11": "Hoy izy avy eo tamiko: \u201cRy\u00a0zanak\u2019olona, ny taranak\u2019Israely manontolo ireo taolana ireo. Hoy mantsy izy ireo: \u2018Maina ny taolanay. Tsy manana fanantenana intsony izahay, fa tena vita hatreo ny aminay.\u2019",
        "12": "Maminania \u00e0ry dia lazao aminy hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u201cHosokafako ny fasanareo, ka hatsangako avy ao ianareo, ry\u00a0vahoakako. Dia haveriko any amin\u2019ny tanin\u2019ny Israely ianareo.",
        "13": "Dia tsy maintsy ho fantatrareo, ry\u00a0vahoakako, fa izaho no Jehovah rehefa sokafako ny fasanareo ka atsangako avy ao ianareo.\u201d\u2019",
        "14": "\u2018Hataoko ao aminareo ny fanahiko ka ho velona indray ianareo. Hapetrako ao amin\u2019ny taninareo koa ianareo. Dia tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho Jehovah no niteny sy nanatanteraka an\u2019izany\u2019, hoy i Jehovah.\u201d",
        "15": "Niteny tamiko indray i Jehovah hoe:",
        "16": "\u201cRy\u00a0zanak\u2019olona, mak\u00e0 tapa-kazo lavalava ka soraty eo amin\u2019ilay izy hoe: \u2018Ho an\u2019i Joda sy ny vahoakan\u2019Israely miaraka aminy.\u2019 Dia mak\u00e0 tapa-kazo anankiray hafa, ka soraty eo amin\u2019ilay izy hoe: \u2018Ho an\u2019i Josefa, ilay tapa-kazon\u2019i Efraima, sy ny vahoakan\u2019Israely rehetra miaraka aminy.\u2019",
        "17": "Ataovy mifanatona ireo mba ho lasa tapa-kazo iray ihany eny an-tananao.",
        "18": "Rehefa miteny aminao ny firenenao hoe: \u2018Lazao aminay ny dikan\u2019izao\u2019,",
        "19": "dia valio hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u201cHalaiko ilay tapa-kazon\u2019i Josefa eny an-tanan\u2019i Efraima, sy ny fokon\u2019ny Israely miaraka aminy, ka hakambako amin\u2019ilay tapa-kazon\u2019i Joda. Hataoko lasa tapa-kazo iray ihany ireo, ka ho lasa anankiray ihany et\u1ef3 an-tanako.\u201d\u2019",
        "20": "Ary taz\u00f2ny eny an-tananao ireo tapa-kazo nasianao soratra ireo mba ho hitany.",
        "21": "\u201cTeneno izy ireo avy eo hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u201cHalaiko avy any amin\u2019ireo firenena nandehanany ny Israelita, ka hangoniko avy any amin\u2019ny vazan-tany efatra, dia hoentiko any amin\u2019ny taniny.",
        "22": "Dia hataoko lasa firenena iray ihany izy ireo eo amin\u2019ilay tany, eny amin\u2019ny tendrombohitr\u2019i Israely. Ary mpanjaka iray ihany no hitondra azy rehetra, ka tsy ho firenena roa intsony izy ireo sady tsy hizara ho fanjakana roa intsony.",
        "23": "Tsy handoto ny tenany amin\u2019ny sampiny maharikoriko intsony izy ireo, na handoto ny tenany amin\u2019ny zavatra maharikoriko sy ny fandikan-dal\u00e0na rehetra fanaony. Fa hovonjeko izy ireo ho afaka amin\u2019ireny zava-dratsy rehetra nahatonga azy hanota ireny, ka hodioviko. Ho vahoakako izy ireo ary izaho mihitsy no ho Andriamaniny.",
        "24": "\u201c\u2018\u201cI Davida mpanompoko no ho mpanjakany, ary mpiandry iray ihany no hiandry azy rehetra. Hanaraka ny didim-pitsarako izy ireo, sady hankat\u00f2 an-tsakany sy an-davany ny lal\u00e0ko.",
        "25": "Dia hipetraka eo amin\u2019ilay tany nomeko an\u2019i Jakoba mpanompoko izy ireo, eo amin\u2019ilay efa nipetrahan\u2019ny razambenareo. Hipetraka eo mandrakizay izy sy ny zanaka aman-jafiny. Ary i Davida mpanompoko no ho mpiadidy eo aminy mandrakizay.",
        "26": "\u201c\u2018\u201cDia hanao fifanekem-pihavanana amin\u2019izy ireo aho, ka ho fifanekena mandrakizay izany. Hapetrako ao amin\u2019ny taniny izy ireo, ary hataoko lasa maro\u00a0be. Dia hataoko eo aminy mandrakizay ny toerako masina.",
        "27": "Ho eo amin\u2019izy ireo ny tranolaiko, ka izaho ho Andriamaniny ary izy ireo ho vahoakako.",
        "28": "Dia tsy maintsy ho fantatr\u2019ireo firenena fa izaho Jehovah no manamasina ny Israely, rehefa eo amin\u2019izy ireo mandrakizay ny toerako masina.\u201d\u2019\u201d"
    },
    "38": {
        "1": "Niteny tamiko indray i Jehovah hoe:",
        "2": "\u201cRy zanak\u2019olona, mitodiha any amin\u2019i Goga avy any amin\u2019ny tany Magoga, ilay lehiben\u2019ny mpiadidy ao Meseka sy Tobala, ka maminania hoe hisy loza hanjo azy.",
        "3": "Dia lazao hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u201cHamely anao aho, ry Goga lehiben\u2019ny mpiadidy ao Meseka sy Tobala.",
        "4": "Hataoko miverin-dalana ianao ary hasiako faraingo ny valanoranonao, ka hoentiko mivoaka ianao sy ny tafikao manontolo, izany hoe ny soavaly sy ny mpitaingin-tsoavaly. Manao akanjo mirenty izy rehetra, ary miaramila be dia be mitondra ampinga lehibe sy ampinga kely, sady mahay mitana sabatra daholo.",
        "5": "Miaraka amin\u2019izy ireo ny olona avy any Persa sy Etiopia ary Pota, ary mitondra ampinga kely sy manao fiarovan-doha izy rehetra.",
        "6": "Firenena be dia be no miaraka aminao, dia i Gomera sy ny miaramilany rehetra, sy ny taranak\u2019i Togarma avy any amin\u2019ny farany avaratra, ary ny miaramilany rehetra.",
        "7": "\u201c\u2018\u201cSamia mivonombonona, dia miom\u00e0na ianao sy ny tafika rehetra tafangona miaraka aminao, fa ianao no ho mpitarika azy ireo.",
        "8": "\u201c\u2018\u201cHodinihiko ny momba anao rehefa afaka andro maro. Amin\u2019ny farany, rehefa afaka taona maro, dia hotafihinao ny tanin\u2019ireo olona naverina indray tao amin\u2019ny taniny, dia ireo olona tsy matin\u2019ny sabatra. Nangonina avy any amin\u2019ny firenena maro izy ireo, ka nentina teny amin\u2019ny tendrombohitr\u2019i Israely izay efa rava hatramin\u2019ny ela. Avy any amin\u2019ireo firenena ireo ny mponin\u2019io tany io no naverina tao amin\u2019ny taniny, ary miadana sy milamina izy rehetra.",
        "9": "Ho avy hamely azy ireo toy ny oram-baratra ianao. Dia handrakotra an\u2019ilay tany hoatran\u2019ny rahona ianao sy ny miaramilanao rehetra ary ny firenena maro miaraka aminao.\u201d\u2019",
        "10": "\u201cIzao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u2018Amin\u2019izany andro izany, dia hisy hevitra ho tonga ao an-tsainao, ka hamorona teti-dratsy ianao.",
        "11": "Dia hiteny ianao hoe: \u201cHanafika an\u2019ilay tany misy tan\u00e0na kely tsy voaro aho. Hamely an\u2019ireo olona miadana sy milamina ary tsy misy manakorontana aho, izany hoe izay rehetra mipetraka ao amin\u2019ny tan\u00e0na kely tsy misy manda na bara hidiny na vavahady miaro azy.\u201d",
        "12": "Te haka babo be dia be sy handroba zavatra maro mantsy ianao, sady te hanafika an\u2019ireo toerana ravarava nefa efa misy mponina izao. Tianao hotafihina koa ilay vahoaka nangonina avy any amin\u2019ireo firenena, ilay vahoaka manangona harena sy fananana sady mipetraka eo afovoan\u2019ny tany.",
        "13": "\u201c\u2018Dia hilaza aminao ny olona ao Sheba sy Dedana sy ny mpivarotra avy any Tarsisy ary ny miaramilany rehetra hoe: \u201cHaka babo betsaka sy handroba angaha no antony anafihanao? Angaha ianao te haka volafotsy sy volamena, sy te hangorona harena sy fananana, ary haka babo be dia be, no dia angoninao ny tafikao?\u201d\u2019",
        "14": "\u201cKoa maminania, ry zanak\u2019olona, ka lazao amin\u2019i Goga hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u201cRehefa miadana sy milamina ny Israely vahoakako, dia tsy ho fantatrao ve izany amin\u2019izany andro izany?",
        "15": "Dia ho tonga avy any amin\u2019izay misy anao ianao, avy any amin\u2019ny farany avaratra. Ho tonga tokoa ianao sy ny firenena maro miaraka aminao. Mitaingin-tsoavaly daholo izy rehetra, ary vahoaka be sy tafika lehibe.",
        "16": "Ho avy hamely ny Israely vahoakako ianao, toy ny rahona mandrakotra ny tany. Any am-parany any, dia hoentiko hamely ny taniko ianao, ry Goga. Amin\u2019izay dia ho fantatr\u2019ireo firenena aho, rehefa manamasina ny tenako, noho izay ataoko aminao.\u201d\u2019",
        "17": "\u201cIzao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u2018Tsy ianao ihany ve ilay nasaiko noresahin\u2019ny mpaminany mpanompoko tamin\u2019ny taloha? Naminany nandritra ny taona maro mantsy ireo mpaminanin\u2019ny Israely hoe hoentina hamely ny Israelita ianao.\u2019",
        "18": "\u201c\u2018Amin\u2019izany andro izany, amin\u2019ilay andro hanafihan\u2019i Goga ny tanin\u2019ny Israely\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, \u2018dia ho tezitra\u00a0be aho.",
        "19": "Hafana fo sy ho tezitra\u00a0be aho rehefa miteny. Ary hisy horohoron-tany lehibe any amin\u2019ny tanin\u2019ny Israely, amin\u2019izany andro izany.",
        "20": "Dia hangovitra noho izay ataoko ny trondro any an-dranomasina, ny vorona eny amin\u2019ny lanitra, ny bibidia, ny biby mandady rehetra amin\u2019ny tany, ary ny olona rehetra eny ambonin\u2019ny tany. Hazera ny tendrombohitra, hihotsaka ny tevana, ary hirodana amin\u2019ny tany ny manda rehetra.\u2019",
        "21": "\u201c\u2018Hiantso sabatra hamely azy eny amin\u2019ny tendrombohitro rehetra aho\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, \u2018dia samy hifamely amin\u2019ny sabatra ny mpirahalahy.",
        "22": "Hampihatra ny didim-pitsarako aminy aho, ka handefa areti-mandringana, ary handriaka ny ra. Handatsahako oram-be mahatonga tondra-drano izy sy ny miaramilany ary ny firenena maro miaraka aminy, sady handatsahako havandra sy afo ary solifara.",
        "23": "Izao no hataoko eo imason\u2019ny firenena maro: Tena homeko voninahitra sy hohamasiniko ny tenako, ary hataoko izay hahafantaran\u2019izy ireo ahy. Dia tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah.\u2019"
    },
    "39": {
        "1": "\u201cRy zanak\u2019olona, maminania hoe hisy loza hanjo an\u2019i Goga, ka lazao aminy hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u201cHamely anao aho, ry\u00a0Goga lehiben\u2019ny mpiadidy ao Meseka sy Tobala.",
        "2": "Hataoko miverin-dalana ianao, dia hotarihiko ka hoentiko miakatra avy any amin\u2019ny farany avaratra, ary hoentiko eny amin\u2019ny tendrombohitr\u2019i Israely.",
        "3": "Dia hodoniko ny tsip\u00eckanao ka hianjera avy eny an-tananao ankavia, ary hataoko latsaka avy eny an-tananao ankavanana ny zana-tsip\u00eckanao.",
        "4": "Hiampatrampatra eny amin\u2019ny tendrombohitr\u2019i Israely ianao sy ny miaramilanao rehetra ary ny firenena miaraka aminao. Ary homeko ho sakafon\u2019ny vorona mpihaza isan-karazany sy ny bibidia ianao.\u201d\u2019",
        "5": "\u201c\u2018Hiampatrampatra eny an-tsaha eny ianao, fa izaho no efa niteny an\u2019izany\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.",
        "6": "\u201c\u2018Handefa afo aho hamelezana an\u2019i Magoga sy izay mipetraka tsy manana ahiahy ao amin\u2019ireo nosy. Dia tsy maintsy ho fantatr\u2019izy ireo fa izaho no Jehovah.",
        "7": "Hampahafantariko ny Israely vahoakako ny anarako masina, ary tsy havelako hozimbazimbaina intsony izany anarako masina izany. Dia tsy maintsy ho fantatr\u2019ireo firenena fa izaho no Jehovah, Ilay Masina eo amin\u2019ny Israely.\u2019",
        "8": "\u201c\u2018Ho tonga tokoa izany, ary ho tanteraka\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony. \u2018Izany ilay andro efa noresahiko.",
        "9": "Dia hivoaka ny mponin\u2019ny tan\u00e0nan\u2019ny Israely, ka hataony fandrehetana afo ny fitaovam-piadiana, izany hoe ny ampinga kely, ny ampinga lehibe, ny tsip\u00ecka sy zana-tsip\u00ecka, ny langilangy fitondra miady, ary ny lefona. Hataony kitay mandritra ny fito taona ireny.",
        "10": "Tsy ho voatery haka kitay any an-tsaha intsony izy ireo, na hanangona kitay any an\u2019ala, fa ireo fitaovam-piadiana ireo no hataony kitay.\u2019 \u201c\u2018Haka babo avy amin\u2019izay namabo azy izy ireo, ary handroba an\u2019izay nandroba azy\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.",
        "11": "\u201c\u2018Amin\u2019izany andro izany, dia homeko fasana any Israely i Goga, ao amin\u2019ilay lohasaha fandalovan\u2019ny olona mpandeha any atsinanan\u2019ny ranomasina. Ho voasakan\u2019io fasana io ny lalan\u2019ny mpandalo. Any no handevenan\u2019izy ireo an\u2019i Goga sy ny vahoakany rehetra. Dia hantsoiny hoe Lohasahan\u2019 i Hamona-goga io toerana io.",
        "12": "Handevina an\u2019ireny mandritra ny fito volana ny taranak\u2019Israely mba hanadiovana an\u2019ilay tany.",
        "13": "Dia hifarimbona handevina an\u2019ireny ny olona rehetra ao amin\u2019ilay tany, ka halaza izy ireo amin\u2019ny andro hanomezako voninahitra ny tenako\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.",
        "14": "\u201c\u2018Ary hisy olona hotendrena hitety tsy an-kijanona an\u2019ilay tany, ka handevina an\u2019izay faty sisa tavela eny rehetra eny, mba hanadiovana ny tany. Hikaroka foana izy ireo mandritra ny fito volana.",
        "15": "Rehefa mahita taolam-paty ireo olona mitety an\u2019ilay tany, dia hasiany marika eo akaikin\u2019ilay izy. Dia handevina an\u2019ilay izy ao amin\u2019ny Lohasahan\u2019i Hamona-goga ny olona voatendry handevina faty.",
        "16": "Hisy tan\u00e0na atao hoe Hamona koa any. Ary hodiovin\u2019izy ireo ilay tany.\u2019",
        "17": "\u201cRy zanak\u2019olona, izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u2018Lazao amin\u2019ny vorona isan-karazany sy amin\u2019ny bibidia rehetra hoe: \u201cAvia! Mitangor\u00f2na daholo! Mitangor\u00f2na manodidina an\u2019ilay sorona omaniko ho anareo, ilay sorona lehibe eny amin\u2019ny tendrombohitr\u2019i Israely. Fa hihinana nofo sy hisotro ra ianareo.",
        "18": "Hihinana ny nofon\u2019ny matanjaka ianareo, ary hisotro ny ran\u2019ny mpiadidy eny ambonin\u2019ny tany, dia ny ondrilahy, ny zanak\u2019ondry, ny osy, ary ny ombilahy, izany hoe ny biby nohatavezina rehetra any Basana.",
        "19": "Hanaram-po hihinana ny matavy ianareo ary hisotro ra, mandra-pahamamonareo amin\u2019ny ran\u2019ilay sorona omaniko ho anareo.\u201d\u2019",
        "20": "\u201c\u2018Ho voky soavaly sy mpitondra kalesy sy olona matanjaka ary miaramila isan-karazany ianareo, eo amin\u2019ny latabatro\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.",
        "21": "\u201c\u2018Hasehoko amin\u2019ireo firenena ny voninahitro, ka ho hitan\u2019ny firenena rehetra fa nampihatra didim-pitsarana aho ary nampiseho ny heriko taminy.",
        "22": "Manomboka amin\u2019izany andro izany, dia tsy maintsy ho fantatry ny taranak\u2019Israely fa izaho no Jehovah Andriamaniny.",
        "23": "Ary tsy maintsy ho fantatr\u2019ireo firenena fa natao sesitany ny taranak\u2019Israely, satria nanao fahadisoana sady nivadika tamiko. Nandao azy ireo \u00e0ry aho, ary navelako ho resin\u2019ny fahavalony izy ireo, ka matin\u2019ny sabatra daholo.",
        "24": "Novaliako araka ny fahalotoany sy ny fahotana nataony izy ireo, ary nafeniko tsy ho hitan\u2019izy ireo ny tarehiko.\u2019",
        "25": "\u201cIzao \u00e0ry no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u2018Haveriko any amin\u2019ny taniny ny olona babo avy amin\u2019i Jakoba, ary hamindrako\u00a0fo ny taranak\u2019Israely manontolo. Dia hafana\u00a0fo aho hiaro ny anarako masina.",
        "26": "Rehefa avy nalam-baraka izy ireo noho izy nivadika foana tamiko, dia hipetraka tsy hanana ahiahy ao amin\u2019ny taniny, ary tsy hisy hampatahotra azy.",
        "27": "Hanamasina ny tenako eo amin\u2019izy ireo sy eo imason\u2019ny firenena maro koa aho, rehefa averiko avy any amin\u2019ireo firenena izy ireo, ary angoniko avy any amin\u2019ny tanin\u2019ny fahavalony.\u2019",
        "28": "\u201c\u2018Dia tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah Andriamaniny, rehefa ataoko sesitany any amin\u2019ireo firenena izy ireo, dia avy eo angoniko ka averiko any amin\u2019ny taniny, ka tsy avelako hisy tavela na iray aza.",
        "29": "Tsy hafeniko amin\u2019izy ireo intsony ny tarehiko, satria handatsaka ny fanahiko amin\u2019ny taranak\u2019Israely aho\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.\u201d"
    },
    "40": {
        "1": "Taona faha-25 nanaovana sesitany anay tamin\u2019izay, teo am-piandohan\u2019ny taona, tamin\u2019ny andro fahafolon\u2019ny volana, izany hoe tamin\u2019ny taona faha-14 naha rava an\u2019ilay tan\u00e0na. Tamin\u2019izay andro izay indrindra ny herin\u2019i Jehovah no niasa tamiko, ka nentiny nankany amin\u2019ilay tan\u00e0na aho.",
        "2": "Nentin\u2019Andriamanitra tany amin\u2019ny tanin\u2019ny Israely aho, tao anatin\u2019ny fahitana. Dia napetrany teo an-tampon\u2019ny tendrombohitra iray tena avo\u00a0be aho. Ary nisy toy ny tan\u00e0na teo amin\u2019izy io, teo atsimo.",
        "3": "Nahita lehilahy iray aho rehefa nentiny teo. Namirapiratra hoatran\u2019ny varahina ny fahitako azy. Nisy tady rongony sy bararata fandrefesana teny an-tanany, ary nijoro teo am-bavahady izy.",
        "4": "Dia hoy ilay lehilahy tamiko: \u201cRy\u00a0zanak\u2019olona, jereo tsara, dia mihainoa tsara, ka diniho tsara izay rehetra asehoko anao. Izany mantsy no antony nitondrako anao eto. Dia lazao amin\u2019ny taranak\u2019Israely izay rehetra hitanao.\u201d",
        "5": "Nahita manda nanodidina ny ivelan\u2019ilay tempoly aho. Nisy bararata fandrefesana nirefy enina hakiho teny an-tanan\u2019ilay lehilahy, ka ny iray hakiho dia nirefy iray hakiho niampy sakan\u2019ny felatanana. Dia norefesiny ilay manda, ka nirefy bararata iray ny hateviny, ary nirefy bararata iray ny haavony.",
        "6": "Dia nankeo amin\u2019ilay vavahady mitodika miantsinanana ilay lehilahy, ary niakatra teo amin\u2019ny tohatohatr\u2019ilay vavahady. Ary norefesiny ny tokonana iray tamin\u2019ilay vavahady, ka nirefy bararata iray ny sakany. Nirefy bararata iray koa ny sakan\u2019ilay tokonana iray.",
        "7": "Nirefy bararata iray ny lavan\u2019ny efitra fiambenana tsirairay sy ny sakany. Dimy hakiho ny elanelan\u2019ireo efitra fiambenana ireo. Ary nirefy bararata iray ny tokonan\u2019ny vavahady teo akaikin\u2019ny lala-mitafon\u2019ilay vavahady. Mitodika mankany amin\u2019ny tempoly io lala-mitafo\u00a0io.",
        "8": "Ary norefesiny ny lala-mitafon\u2019ilay vavahady mitodika mankany anatiny, ka nirefy bararata iray.",
        "9": "Dia norefesiny ny lala-mitafon\u2019ilay vavahady, ka nirefy valo hakiho. Ary norefesiny ny andry teo amin\u2019ny andaniny roa, ka roa hakiho. Teo amin\u2019ny ilany mitodika mankany amin\u2019ny tempoly no nisy ny lala-mitafon\u2019ilay vavahady.",
        "10": "Nisy efitra fiambenana telo teo amin\u2019ny andaniny roa tamin\u2019ny vavahady atsinanana. Nitovy habe izy telo, ary nitovy habe koa ireo andry teo amin\u2019ny andaniny sy ny ankilany.",
        "11": "Dia norefesiny ny sakan\u2019ny fidirana amin\u2019ilay vavahady, ka 10\u00a0hakiho, fa 13\u00a0hakiho kosa ny lavan\u2019ilay vavahady.",
        "12": "Nisy faritra voafefin\u2019ny rindrina\u00a0iva teo anoloan\u2019ireo efitra fiambenana, teo amin\u2019ny andaniny sy ny ankilany, ka iray hakiho ny refiny. Enina hakiho avy ny efitra fiambenana teo amin\u2019ny andaniny roa.",
        "13": "Norefesiny koa ny sakan\u2019ilay vavahady, nanomboka teo amin\u2019ny tafon\u2019ny efitra fiambenana iray ka hatreo amin\u2019ny tafon\u2019ny efitra iray mifanatrika aminy, ka 25\u00a0hakiho. Nifanitsy daholo ny fidirana tamin\u2019ireo efitra fiambenana.",
        "14": "Dia norefesiny ny haavon\u2019ireo andry teo amin\u2019ny andaniny roa, ka 60\u00a0hakiho. Norefesiny koa ireo andry teny amin\u2019ny vavahady manodidina ny tokotany.",
        "15": "Nirefy 50\u00a0hakiho ny avy teo anoloan\u2019ny fidirana amin\u2019ilay vavahady ka hatreo amin\u2019ny faran\u2019ny lala-mitafon\u2019ny vavahady mitodika mankany anatiny.",
        "16": "Nisy varavarankely mihatery ny efitra fiambenana sy ny andry tao anatin\u2019ny vavahady, teo amin\u2019ny andaniny sy ankilany. Nisy varavarankely koa ny lala-mitafo, teo amin\u2019ny andaniny sy ankilany. Ary nisy sarina hazo palmie teo amin\u2019ireo andry teo amin\u2019ny andaniny roa.",
        "17": "Dia nentiny teo amin\u2019ny tokotany ivelany aho, ka nahita efitra fisakafoana sy faritra vita rarivato nanodidina an\u2019ilay tokotany. Nisy 30 ny efitra fisakafoana teo amin\u2019io faritra io.",
        "18": "Nitovy tamin\u2019ny lavan\u2019ireo vavahady ny refin\u2019ilay faritra vita rarivato teo akaikin\u2019ireo vavahady. Faritra ambany vita rarivato no nahafantarana azy\u00a0io.",
        "19": "Dia norefesiny ny elanelana avy teo anoloan\u2019ny vavahady ambany ka hatreo amin\u2019ny sisin\u2019ny tokotany anatiny. Nisy 100\u00a0hakiho ilay izy, na ny teo atsinanana na ny teo avaratra.",
        "20": "Nisy vavahady mitodika mianavaratra teo amin\u2019ny tokotany ivelany. Norefesin\u2019ilay lehilahy koa ny lavany sy ny sakany.",
        "21": "Nisy efitra fiambenana telo teo amin\u2019ny andaniny roa tamin\u2019ilay vavahady. Nitovy refy tamin\u2019ilay vavahady voalohany ny andry sy ny lala-mitafo tao amin\u2019izy io. Nirefy 50\u00a0hakiho ny lavan\u2019ilay vavahady, ary 25\u00a0hakiho ny sakany.",
        "22": "Ny varavarankely sy ny lala-mitafo ary ny sarina hazo palmie tao, dia nitovy refy tamin\u2019ilay tao amin\u2019ny vavahady atsinanana. Nila niakatra zanatohatra fito izay nankao, ary teo anoloan\u2019ireo zanatohatra ilay lala-mitafo.",
        "23": "Nisy vavahady nifanitsy tamin\u2019ny vavahady avaratra, tao amin\u2019ny tokotany anatiny, ary nisy iray koa nifanitsy tamin\u2019ny vavahady atsinanana. Dia norefesiny ny elanelan\u2019ireo vavahady ka nirefy 100\u00a0hakiho.",
        "24": "Nentiny nianatsimo indray aho, ary nahita vavahady teo amin\u2019ny ilany atsimo. Norefesiny ny andry sy ny lala-mitafo tao amin\u2019izy io, ka nitovy refy tamin\u2019ny an\u2019ireo vavahady hafa.",
        "25": "Nisy varavarankely io vavahady io sy ny lala-mitafo, teo amin\u2019ny andaniny roa. Nitovy tamin\u2019ireo varavarankely hafa ihany izy ireo. Nirefy 50\u00a0hakiho ny lavan\u2019ilay vavahady, ary 25\u00a0hakiho ny sakany.",
        "26": "Zanatohatra fito no niakarana tao, ary nisy lala-mitafo teo anoloan\u2019izy ireny. Nisy sarina hazo palmie teo amin\u2019ny andry, ka ny anankiray teo amin\u2019ny andaniny ary ny anankiray teo amin\u2019ny ankilany.",
        "27": "Nisy vavahady mitodika mianatsimo tao amin\u2019ny tokotany anatiny. Dia norefesiny nianatsimo ny elanelan\u2019ireo vavahady, ka nisy 100\u00a0hakiho.",
        "28": "Nentiny niditra tao amin\u2019ny vavahady atsimo indray aho, mba ho ao amin\u2019ny tokotany anatiny. Norefesiny ilay vavahady atsimo, ka nitovy habe tamin\u2019ny vavahady hafa.",
        "29": "Nitovy habe tamin\u2019ny an\u2019ireo vavahady hafa ny efitra fiambenana sy ny andry ary ny lala-mitafo tao. Nisy varavarankely teo amin\u2019ny andaniny roa amin\u2019ilay vavahady sy ilay lala-mitafo. Nirefy 50\u00a0hakiho ny lavan\u2019ilay vavahady, ary 25\u00a0hakiho ny sakany.",
        "30": "Nisy lala-mitafo ny vavahady rehetra mankao amin\u2019ny tokotany anatiny, ary nirefy 25\u00a0hakiho ny lavan\u2019ny lala-mitafo ary 5\u00a0hakiho ny sakany.",
        "31": "Nanatrika ny tokotany ivelany ny lala-mitafo teo aminy. Nisy sarina hazo palmie ny andry teo amin\u2019ny andaniny roa, ary zanatohatra valo no niakarana tao.",
        "32": "Dia nentiny niditra avy any atsinanana aho mba hankao amin\u2019ny tokotany anatiny. Norefesiny ilay vavahady ka nitovy habe tamin\u2019ireo vavahady hafa.",
        "33": "Nitovy habe tamin\u2019ny an\u2019ireo vavahady hafa ny efitra fiambenana sy ny andry ary ny lala-mitafo tao. Nisy varavarankely io vavahady io sy ilay lala-mitafo, teo amin\u2019ny andaniny roa. Nirefy 50\u00a0hakiho ny lavan\u2019ilay vavahady, ary 25\u00a0hakiho ny sakany.",
        "34": "Nanatrika ny tokotany ivelany ny lala-mitafo teo aminy. Nisy sarina hazo palmie teo amin\u2019ny andry roa teo amin\u2019ny andaniny roa, ary zanatohatra valo no niakarana tao.",
        "35": "Dia nentin\u2019ilay lehilahy nankao amin\u2019ny vavahady avaratra aho. Ary norefesiny ilay izy, ka nitovy habe tamin\u2019ireo vavahady hafa.",
        "36": "Nitovy habe tamin\u2019ny an\u2019ireo vavahady hafa ny efitra fiambenana sy ny andry ary ny lala-mitafo tao. Nisy varavarankely teo amin\u2019ny andaniny roa tamin\u2019izy io. Nirefy 50\u00a0hakiho ny lavan\u2019ilay vavahady, ary 25\u00a0hakiho ny sakany.",
        "37": "Nanatrika ny tokotany ivelany ny andry teo aminy. Nisy sarina hazo palmie teo amin\u2019ny andry roa teo amin\u2019ny andaniny roa, ary zanatohatra valo no niakarana tao.",
        "38": "Nisy efitra fisakafoana iray teo akaikin\u2019ny andry teo amin\u2019ireo vavahady. Nisy fidirana nankao amin\u2019io efitra io, ary tao ny fanatitra dorana manontolo no nosasana.",
        "39": "Nisy latabatra roa teo amin\u2019ny andaniny roa tamin\u2019ny lala-mitafon\u2019ilay vavahady. Teo amin\u2019ireo latabatra ireo no novonoina ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra noho ny ota ary ny fanatitra noho ny heloka.",
        "40": "Nisy latabatra roa teo ivelan\u2019ny fidirana, teo amin\u2019ny lalana nankao amin\u2019ny vavahady avaratra. Nisy latabatra roa koa teo akaikin\u2019ny lala-mitafon\u2019ilay vavahady.",
        "41": "Nisy latabatra teo amin\u2019ilay vavahady, ka efatra teo amin\u2019ny andaniny ary efatra teo amin\u2019ny ankilany. Valo izy rehetra, ary teo ambonin\u2019izy ireo ny biby hatao sorona no novonoina.",
        "42": "Vita tamin\u2019ny vato voapaika ny latabatra efatra famonoana ny fanatitra dorana manontolo. Iray hakiho sy sasany ny lavany, iray hakiho sy sasany ny sakany, ary iray hakiho ny haavony. Napetraka teo ambonin\u2019izy ireo ny fitaovana famonoana ny fanatitra dorana sy ny sorona.",
        "43": "Nametahana talantalana daholo ny rindrina tao anatiny, ka sakan\u2019ny felatanana no refin\u2019ny sakany. Ary napetraka teo ambonin\u2019ireo latabatra ireo ny henan\u2019ny fanatitra natao fanomezana.",
        "44": "Nisy efitra fisakafoan\u2019ny mpihira teo ivelan\u2019ny vavahady anatiny, tao amin\u2019ny tokotany anatiny, teo akaikin\u2019ny vavahady avaratra. Mitodika mianatsimo ireo efitra ireo. Nisy efitra fisakafoana iray koa teo akaikin\u2019ny vavahady atsinanana, ary mitodika mianavaratra izy\u00a0io.",
        "45": "Ary hoy ilay lehilahy tamiko: \u201cHo an\u2019ny mpisorona miandraikitra ny fanompoana ao amin\u2019ny tempoly ity efitra fisakafoana mitodika mianatsimo ity.",
        "46": "Ilay efitra fisakafoana mitodika mianavaratra kosa ho an\u2019ny mpisorona miandraikitra ny alitara. Zanakalahin\u2019i Zadoka izy ireo, ary Levita voatendry hanatona an\u2019i Jehovah mba hanompo azy.\u201d",
        "47": "Dia norefesiny ny tokotany anatiny, ka 100\u00a0hakiho ny lavany ary 100\u00a0hakiho ny sakany. Efamira izy io. Ary teo anoloan\u2019ny tempoly ny alitara.",
        "48": "Dia nentiny tao amin\u2019ny lala-mitafon\u2019ilay tempoly aho. Ary norefesiny ny andry teo amin\u2019ny fidirana mankao amin\u2019ilay lala-mitafo, ka dimy hakiho ny andaniny ary dimy hakiho ny ankilany. Telo hakiho ny sakan\u2019ny vavahady teo amin\u2019ny andaniny, ary telo hakiho ny teo amin\u2019ny ankilany.",
        "49": "Nirefy 20\u00a0hakiho ny lavan\u2019ilay lala-mitafo, ary 11 hakiho ny sakany. Niakatra zanatohatra izay niditra tao. Nisy andry teo akaikin\u2019ny tol\u00e0na, ka iray teo amin\u2019ny andaniny ary iray teo amin\u2019ny ankilany."
    },
    "41": {
        "1": "Dia nentin\u2019ilay lehilahy niditra tao amin\u2019ny Masina aho. Ary norefesiny ny andry teo amin\u2019ny andaniny roa, ka enina hakiho ny sakany teo amin\u2019ny andaniny, ary enina hakiho koa ny teo amin\u2019ny ankilany.",
        "2": "Folo hakiho ny sakan\u2019ny fidirana, ary dimy hakiho ny sakan\u2019ny rindrina teo amin\u2019ny andaniny, dia dimy hakiho ny teo amin\u2019ny ankilany. Dia norefesiny ny lavan\u2019ny Masina, ka 40\u00a0hakiho, ary 20\u00a0hakiho ny sakany.",
        "3": "Niditra tany anatiny izy avy eo, ary norefesiny ny andry teo amin\u2019ny fidirana, ka roa hakiho ny hateviny, ary enina hakiho ny sakan\u2019ilay fidirana. Fito hakiho ny sakan\u2019ny rindrina teo amin\u2019ny andaniny roa.",
        "4": "Dia norefesiny ilay efitra teo anoloan\u2019ny Masina, ka 20\u00a0hakiho ny lavany, ary 20\u00a0hakiho koa ny sakany. Ary hoy izy tamiko: \u201cAto no Masina Indrindra.\u201d",
        "5": "Norefesiny ny rindrin\u2019ny tempoly, ka enina hakiho ny hateviny. Nisy efitrefitra nanodidina an\u2019ilay tempoly, ka efatra hakiho ny sakany.",
        "6": "Nisy rihana roa nifanao ambony sy ambany ireo efitrefitra. Ary nisy efitrefitra 30 ny rihana tsirairay. Nasiana mihoatra kely daholo ny rindrin\u2019ny tempoly, mba hanohana an\u2019ireo efitrefitra, ka tsy nanatsofohana hazo tao anaty rindrin\u2019ny tempoly.",
        "7": "Nisy tohatohatra miolakolaka teo amin\u2019ny andaniny roa amin\u2019ilay tempoly. Nihanalalaka izy io arakaraka ny niakarana tany amin\u2019ny efitrefitra ambony. Rehefa niakatra ho any amin\u2019ny farany ambony ny olona iray avy tany amin\u2019ny farany ambany, ary nandalo tao amin\u2019ny rihana voalohany, dia nihanalalaka ireo efitrefitra, isaky ny niakatra rihana izy.",
        "8": "Hitako fa nisy lampivato nanodidina an\u2019ilay tempoly. Ny haavon\u2019ny fototry ny efitrefitra avy teo amin\u2019ny tany ka hatreo amin\u2019ny zorony, dia nirefy bararata iray manontolo, izany hoe enina hakiho.",
        "9": "Dimy hakiho ny hatevin\u2019ny rindrina ivelan\u2019ny efitrefitra. Ary nisy faritra babangoana teo amin\u2019ny sisin\u2019ny efitrefitra, izay anisan\u2019ilay tempoly.",
        "10": "Nisy faritra 20\u00a0hakiho teo anelanelan\u2019ny tempoly sy ny efitra fisakafoana, teo amin\u2019ny andaniny roa.",
        "11": "Nisy fidirana teo anelanelan\u2019ireo efitrefitra sy ilay faritra babangoana, teo amin\u2019ny ilany avaratra, ary nisy fidirana koa teo amin\u2019ny ilany atsimo. Nanodidina an\u2019ilay tempoly io faritra babangoana io, ary dimy hakiho ny sakany.",
        "12": "Ilay tranobe teo andrefana, izay nitodika tany amin\u2019ilay faritra babangoana, dia nirefy 70\u00a0hakiho ny sakany, ary 90\u00a0hakiho ny lavany, fa dimy hakiho kosa ny hatevin\u2019ny rindriny manontolo.",
        "13": "Dia norefesin\u2019ilay lehilahy ilay tempoly, ka 100\u00a0hakiho ny lavany. Nisy 100\u00a0hakiho koa, raha atambatra, ny refin\u2019ilay faritra babangoana sy ilay tranobe ary ny rindriny.",
        "14": "Ary nisy 100\u00a0hakiho ny sakan\u2019ny faritra teo anoloan\u2019ny tempoly nitodika niantsinanana sy ilay faritra babangoana.",
        "15": "Norefesiny ny lavan\u2019ilay tranobe nanatrika an\u2019ilay faritra babangoana tao ambadiky ny tempoly, sy ireo lalantsara teo amin\u2019ny andaniny roa tamin\u2019izy io, ka nisy 100\u00a0hakiho. Norefesiny koa ny Masina, ny Masina Indrindra, ny lala-mitafon\u2019ny tokotany,",
        "16": "ny tokonana, ny varavarankely mihatery, ary ireo lalantsara nanodidina an\u2019ireo faritra telo ireo. Nisy takela-kazo teo akaikin\u2019ilay tokonana, nanomboka teo amin\u2019ny gorodona ka hatreny amin\u2019ny varavarankely. Ary voatakona ireo varavarankely.",
        "17": "Norefesina daholo ny teo ambonin\u2019ilay fidirana, ny tao anatin\u2019ny tempoly sy ny teo ivelany, ary ny rindrina manodidina.",
        "18": "Nisy kerobima vita sokitra sy sarina hazo palmie tao, ka teo anelanelan\u2019ny kerobima roa ny hazo palmie tsirairay. Samy nanana tarehy roa ny kerobima tsirairay.",
        "19": "Nanatrika an\u2019ilay hazo palmie teo amin\u2019ny andaniny ilay tarehin\u2019olona, ary nanatrika an\u2019ilay hazo palmie teo amin\u2019ny ankilany kosa ilay tarehina liona. Nasiana sary sokitra hoatr\u2019izany ilay tempoly manontolo.",
        "20": "Nisy kerobima vita sokitra sy sarina hazo palmie teo amin\u2019ny rindrin\u2019ny toerana masina, nanomboka teo amin\u2019ny gorodona ka hatreo ambonin\u2019ny fidirana.",
        "21": "Efajoro ireo tol\u00e0m-baravaran\u2019ny tempoly. Ary zavatra hoatr\u2019izao no teo anoloan\u2019ny toerana masina:",
        "22": "Alitara hazo nirefy telo hakiho ny haavony, ary roa hakiho ny lavany. Nisy andry teo amin\u2019ny zoron\u2019izy io, ary vita tamin\u2019ny hazo ny fanambaniny sy ireo lafiny. Dia hoy ilay lehilahy tamiko: \u201cIo ilay latabatra eo anatrehan\u2019i Jehovah.\u201d",
        "23": "Samy nisy varavarana roa ny Masina sy ny toerana masina.",
        "24": "Nisy lelavaravarana roa ireo varavarana ireo, ary samy kopa-droa ireo lelavaravarana ireo.",
        "25": "Nisy kerobima vita sokitra sy sarina hazo palmie ireo varavaran\u2019ny tempoly ireo, toy ny teo amin\u2019ireo rindrina ihany. Ary nisy tafokely hazo teo ivelany, teo ambonin\u2019ny lala-mitafo.",
        "26": "Nisy varavarankely mihatery sy sarina hazo palmie koa teo amin\u2019ny andaniny sy ny ankilany tamin\u2019ny lala-mitafo, sy teo amin\u2019ny rindrin\u2019ny efitrefitra tamin\u2019ilay tempoly ary teo amin\u2019ireo tafokely."
    },
    "42": {
        "1": "Ary nentin\u2019ilay lehilahy nianavaratra aho mba hankao amin\u2019ny tokotany ivelany. Dia nentiny teo amin\u2019ny fitambaran-trano feno efitra fisakafoana aho, teo akaikin\u2019ilay faritra babangoana, teo avaratr\u2019ilay tranobe nifanila taminy.",
        "2": "Nisy 100\u00a0hakiho ny lavany, teo amin\u2019ilay ilany avaratra izay nisy fidirana, ary 50\u00a0hakiho ny sakany.",
        "3": "Izy io dia teo anelanelan\u2019ny tokotany anatiny, izay nirefy 20\u00a0hakiho ny sakany, sy ny faritra vita rarivato teo amin\u2019ny tokotany ivelany. Nifanatrika ny lalantsara tao aminy ary nisy rihana roa.",
        "4": "Nisy lalana teo anelanelan\u2019ireo efitra fisakafoana. Nirefy 10\u00a0hakiho ny sakan\u2019ilay lalana, ary 100\u00a0hakiho ny lavany. Ary teo avaratra ny fidirana nankao amin\u2019ireo efitra fisakafoana.",
        "5": "Kely kokoa noho ny efitra fisakafoana tany ambany sy ny teo antenatenany ireo efitra fisakafoana tany ambony tamin\u2019ilay trano. Nibahan-toerana be mantsy ireo lalantsara.",
        "6": "Nisy rihana roa ireo efitra fisakafoana ireo, saingy tsy nisy andry hoatran\u2019ny andry teny an-tokotany. Izany no nahatonga ny tany amin\u2019ny rihana ambony ho tery kokoa noho ny tany ambany sy ny teo antenatenany.",
        "7": "Nirefy 50\u00a0hakiho ny lavan\u2019ny rindrim-bato teo ivelany, teo akaikin\u2019ireo efitra fisakafoana, izay nifanila tamin\u2019ny tokotany ivelany sady nifanatrika tamin\u2019ny efitra fisakafoana hafa.",
        "8": "Nirefy 50\u00a0hakiho mantsy ny lavan\u2019ireo efitra fisakafoana nifanila tamin\u2019ny tokotany ivelany, fa 100\u00a0hakiho kosa ny lavan\u2019ireo efitra fisakafoana teo akaikin\u2019ny toerana masina.",
        "9": "Teo atsinanana dia nisy fidirana nankao amin\u2019ireo efitra fisakafoana, raha avy any amin\u2019ny tokotany ivelany.",
        "10": "Nisy efitra fisakafoana koa tao ambadiky ny rindrim-bato teo atsinanana, teo an-tokotany. Teo akaikin\u2019ilay faritra babangoana sy ilay tranobe ireo efitra fisakafoana ireo.",
        "11": "Nisy lalana teo anoloan\u2019ireny, toy ilay lalana teo anelanelan\u2019ireo efitra fisakafoana teo avaratra. Nitovy ny lavan\u2019ireo efitra fisakafoana sy ny sakany, ary nitovy koa ny fivoahana avy ao sy ny refiny. Ny fidirana nankao amin\u2019ireo efitra fisakafoana ireo",
        "12": "dia nitovy tamin\u2019ny fidirana nankao amin\u2019ny efitra fisakafoana teo atsimo. Nisy fidirana azo naleha teo am-piandohan\u2019ilay lalana, teo anoloan\u2019ilay rindrim-bato teo atsinanana.",
        "13": "Dia hoy ilay lehilahy tamiko: \u201cEfitra masina fisakafoana ireo efitra fisakafoana eo avaratra sy ireo eo atsimo, izay eo akaikin\u2019ny faritra malalaka. Ao ny mpisorona manatona an\u2019i Jehovah no mihinana ny fanatitra masina indrindra. Ao koa no apetrany ny fanatitra masina indrindra, izany hoe ny fanatitra varimbazaha sy ny fanatitra noho ny ota ary ny fanatitra noho ny heloka, satria masina io toerana io.",
        "14": "Rehefa tafiditra ao ny mpisorona, dia tsy tokony hivoaka avy ao amin\u2019ny toerana masina izy ireo mba hankeo amin\u2019ny tokotany ivelany, raha tsy efa nesoriny ny akanjo fitondrany manompo. Masina mantsy ireny. Hanao akanjo hafa izy ireo, rehefa hankeny amin\u2019izay azon\u2019ny vahoaka aleha.\u201d",
        "15": "Rehefa avy nandrefy an\u2019ilay tempoly manontolo ilay lehilahy, dia nentiny nivoaka tamin\u2019ilay vavahady mitodika miantsinanana aho. Ary norefesiny ilay faritra manontolo.",
        "16": "Norefesiny tamin\u2019ny bararata fandrefesana ny ilany atsinanana. Indimanjaton\u2019ilay bararata fandrefesana ilay izy, avy teo amin\u2019ny sisiny iray ka hatreo amin\u2019ny sisiny iray.",
        "17": "Norefesiny koa ny ilany avaratra, ka indimanjaton\u2019ny bararata ilay izy, araka ny bararata fandrefesana.",
        "18": "Norefesiny koa ny ilany atsimo, ka indimanjaton\u2019ny bararata ilay izy, araka ny bararata fandrefesana.",
        "19": "Dia nihodina nankany amin\u2019ny ilany andrefana izy, ka indimanjaton\u2019ilay bararata fandrefesana ny refiny.",
        "20": "Norefesiny daholo ireo ilany efatra. Nisy manda nanodidina an\u2019ilay faritra nisy ny tempoly, mba hanasarahana ny faritra masina sy ny azon\u2019ny vahoaka aleha. Indimanjaton\u2019ny bararata ny lavan\u2019ilay manda, ary indimanjaton\u2019ny bararata ny sakany."
    },
    "43": {
        "1": "Ary nentin\u2019ilay lehilahy nankany amin\u2019ilay vavahady mitodika miantsinanana aho.",
        "2": "Dia hitako tonga avy any atsinanana ny voninahitr\u2019ilay Andriamanitry ny Israely. Toy ny feon\u2019ny rano\u00a0be misasasasa ny feony, ary lasa nazava\u00a0be ny tany satria tratran\u2019ny hazavan\u2019ny voninahiny.",
        "3": "Hoatran\u2019ilay fahitana hitako tamin\u2019izaho tonga handrava an\u2019ilay tan\u00e0na ihany no hitako, ary hoatran\u2019ilay efa hitako teo amoron\u2019ny reniranon\u2019i Kebara. Dia niankohoka tamin\u2019ny tany aho.",
        "4": "Ary niditra teo amin\u2019ilay vavahady mitodika miantsinanana ny voninahitr\u2019i Jehovah, ka nankao amin\u2019ilay tempoly.",
        "5": "Dia nisy fanahy nanainga ahy ka nitondra ahy tao amin\u2019ilay tokotany anatiny, ary hitako fa feno ny voninahitr\u2019i Jehovah ilay tempoly.",
        "6": "Naheno feo niteny tamiko avy tao amin\u2019ilay tempoly aho avy eo, ary tonga nijoro teo akaikiko ilay lehilahy.",
        "7": "Dia hoy izy tamiko: \u201cRy zanak\u2019olona, ity no toerana misy ny seza fiandrianako sady toerana ametrahako ny faladiako. Eto aho no hiara-monina mandrakizay amin\u2019ny vahoakan\u2019Israely. Tsy handoto ny anarako masina intsony ny taranak\u2019Israely, dia izy sy ny mpanjakany, satria tsy hivaro-tena amin\u2019ny andriamanitra hafa na handoto ny anarako amin\u2019ny fatin\u2019ny mpanjakany intsony izy ireo.",
        "8": "Nandoto ny anarako masina tamin\u2019ny zavatra maharikoriko fanaony mantsy izy ireo, satria nataony teo akaikin\u2019ny tokonam-baravarako ny tokonam-baravarany. Nataony teo akaikin\u2019ny tol\u00e0m-baravarako koa ny tol\u00e0m-baravarany, ka rindrina sisa no nanasaraka ahy tamin\u2019ny fatin\u2019ny mpanjakany. Dia tezitra aho ka naringako tanteraka izy ireo.",
        "9": "Tsy tokony hivaro-tena amin\u2019ny andriamanitra hafa intsony izy ireo, ary tokony hesoriny lavitra ahy ny fatin\u2019ny mpanjakany. Dia honina eo aminy mandrakizay aho.",
        "10": "\u201cRy zanak\u2019olona, hazavazavao amin\u2019ny taranak\u2019Israely ny momba an\u2019ilay tempoly mba ho menatra izy ireo noho ny fahadisoany. Dia tokony hodinihin\u2019izy ireo koa ny planin\u2019ilay izy.",
        "11": "Raha menatra noho izay rehetra nataony izy ireo, dia ampahafantaro azy ny planin\u2019ilay tempoly, sy ny fomba nandaminana azy, ary ny fivoahana sy ny fidirana ao. Asehoy azy daholo ny planiny rehetra sy ny fitsipika arahina ao ary ny lal\u00e0na rehetra momba azy. Dia soraty eo imasony daholo izany, amin\u2019izay izy ireo handinika ny planiny rehetra ka hanaraka tsara ny fitsipika mifehy ao.",
        "12": "Izao no lal\u00e0na momba an\u2019ilay tempoly: Masina indrindra ny faritra rehetra manodidina ny tampon\u2019ilay tendrombohitra. Izany no lal\u00e0na momba an\u2019ilay tempoly.",
        "13": "\u201cIzao no refin\u2019ilay alitara raha refesina araka ny hakiho, ka ny iray hakiho dia nirefy iray hakiho niampy sakan\u2019ny felatanana: Iray hakiho ny haavon\u2019ny fototra, ary iray hakiho ny sakany. Misy molony mirefy irain-jehy ny sisiny manodidina. Izany no fototr\u2019ilay alitara.",
        "14": "Roa hakiho ny haavon\u2019ilay ambaratonga kely kokoa raha avy eo an-tampon\u2019ny fototry ny alitara, ary mirefy iray hakiho ny molotr\u2019io ambaratonga io. Efatra hakiho ny haavon\u2019ilay ambaratonga lehibe kokoa, ary iray hakiho koa ny molony.",
        "15": "Eo amin\u2019ny farany ambony ny fitoeran\u2019afon\u2019ny alitara, ary efatra hakiho ny haavony. Misy tandroka efatra io fitoeran\u2019afo io, ary manondro miakatra daholo izy efatra.",
        "16": "Efamira ilay fitoeran\u2019afon\u2019ny alitara, ka 12\u00a0hakiho ny lavany, ary 12\u00a0hakiho koa ny sakany.",
        "17": "Mirefy 14\u00a0hakiho ny lavan\u2019ilay ambaratonga fahatelo ary 14\u00a0hakiho ny sakany, eo amin\u2019ny lafiny efatra. Antsasaky ny hakiho ny sisiny manodidina azy io, ary iray hakiho ny fanambaniny manodidina, eo amin\u2019ny lafiny rehetra. \u201cMitodika miantsinanana ny tohatohatra iakarana aminy.\u201d",
        "18": "Hoy izy avy eo tamiko: \u201cRy\u00a0zanak\u2019olona, izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u2018Izao no toromarika mila arahina rehefa vita ilay alitara, mba hahafahana hanolotra fanatitra dorana manontolo sy hamafy ra eo amboniny:\u2019",
        "19": "\u201c\u2018Mak\u00e0 vantotr\u2019ombilahy iray avy ao amin\u2019ny andiany mba hatao fanatitra noho ny ota, dia omeo ny Levita mpisorona taranak\u2019i Zadoka, izay manatona mba hanompo ahy, ilay izy\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.",
        "20": "\u2018Akao ny rany ka hosory eo amin\u2019ireo tandroka efatry ny alitara sy eo amin\u2019ny zorony efatra amin\u2019ilay ambaratonga fahatelo ary eo amin\u2019ny sisiny manodidina. Ataovy izany mba hanadiovana an\u2019ilay alitara ho afaka amin\u2019ny ota sy hanaovana fandrakofam-pahotana ho azy io.",
        "21": "Dia alaivo ilay vantotr\u2019ombilahy hatao fanatitra noho ny ota, mba hodorana eo amin\u2019ny toerana voatokana hanaovana an\u2019izany, ao amin\u2019ny faritry ny tempoly, eo ivelan\u2019ny toerana masina.",
        "22": "Ary amin\u2019ny andro faharoa, dia mak\u00e0 osilahy iray tsy misy kilema ka atolory ho fanatitra noho ny ota. Hodiovin\u2019ny mpisorona ho afaka amin\u2019ny ota ilay alitara, toy ny nanadiovany azy tamin\u2019ilay vantotr\u2019ombilahy.\u2019",
        "23": "\u201c\u2018Rehefa voadionao ho afaka amin\u2019ny ota ny alitara, dia mak\u00e0 vantotr\u2019ombilahy iray tsy misy kilema, avy amin\u2019ny andiany. Mak\u00e0 koa ondrilahy iray tsy misy kilema, avy amin\u2019ny andiany. Dia atolory ireo.",
        "24": "Ento eo anatrehan\u2019i Jehovah ireo. Dia tsy maintsy hasian\u2019ny mpisorona sira ireo, ka hatolony ho fanatitra dorana manontolo ho an\u2019i Jehovah.",
        "25": "Mandritra ny fito andro, dia hanolotra osilahy iray isan\u2019andro ianao ho fanatitra noho ny ota, ary hanolotra vantotr\u2019ombilahy iray avy amin\u2019ny andiany sy ondrilahy iray avy amin\u2019ny andiany. Biby tsy misy tsininy no hatolotrao.",
        "26": "Tsy maintsy manao fandrakofam-pahotana ho an\u2019ilay alitara ny mpisorona mandritra ny fito andro, dia hodioviny ilay alitara ka hotokanany.",
        "27": "Rehefa tapitra ireo fito andro ireo, dia hatolotry ny mpisorona eo ambonin\u2019ilay alitara ny fanatitra dorana manontolo sy ny sorona iombonana entinareo, amin\u2019ny andro fahavalo sy aorian\u2019izay. Dia hankasitraka anareo aho\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.\u201d"
    },
    "44": {
        "1": "Nentin\u2019ilay lehilahy niverina teo amin\u2019ny vavahadin\u2019ny toerana masina aho, izany hoe ilay vavahady ivelany mitodika miantsinanana, kanjo nihidy ilay izy.",
        "2": "Dia hoy i Jehovah tamiko: \u201cHihidy foana io vavahady\u00a0io. Tsy tokony hosokafana izy io, ary tsy hisy olona hiditra eo, satria i Jehovah Andriamanitry ny Israely no efa niditra teo, ka tsy maintsy hidiana foana io.",
        "3": "Ny mpiadidy kosa hipetraka ao mba hihinana sakafo eo anatrehan\u2019i Jehovah, satria mpiadidy izy. Eo amin\u2019ny lala-mitafon\u2019ny vavahady izy no hiditra sy hivoaka.\u201d",
        "4": "Dia nentiny niditra teo amin\u2019ny vavahady avaratra aho, mba hankeo anoloan\u2019ny tempoly. Rehefa nijery aho, dia hitako fa feno ny voninahitr\u2019i Jehovah ny tempolin\u2019i Jehovah. Koa niankohoka tamin\u2019ny tany aho.",
        "5": "Dia hoy i Jehovah tamiko: \u201cRy\u00a0zanak\u2019olona, diniho tsara, dia jereo, ka henoy tsara izay rehetra lazaiko aminao momba ny fitsipika sy ny lal\u00e0na mahakasika ny tempolin\u2019i Jehovah. Diniho tsara koa ny fidirana ao amin\u2019ilay tempoly, sy ny fivoahana rehetra avy ao amin\u2019ilay toerana masina.",
        "6": "Lazao amin\u2019ny taranak\u2019Israely mpikomy hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u201cEfa be\u00a0loatra izay zavatra maharikoriko vitanareo izay, ry\u00a0taranak\u2019Israely\u00a0\u00f4!",
        "7": "Manazimbazimba ny tempoliko ny hafa firenena tsy voafora fo sady tsy mifora, rehefa entinareo ao amin\u2019ny toerako masina. Manolotra fanatitra ho ahy ianareo, izany hoe tavin-kena sy ra, nefa ny fifanekena nataonareo tamiko aza tsy hajainareo akory, noho ny zavatra maharikoriko rehetra fanaonareo.",
        "8": "Tsy nokarakarainareo koa ny zavatra masina voatokana ho ahy, fa olon-kafa indray no tendrenareo hanao ny andraikitra tokony hataonareo ao amin\u2019ny toerako masina.\u201d\u2019",
        "9": "\u201c\u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u201cTsy misy mahazo miditra ao amin\u2019ny toerako masina ny hafa firenena mipetraka any Israely nefa tsy voafora fo sady tsy mifora.\u201d\u2019",
        "10": "\u201c\u2018Hizaka ny vokatry ny fahadisoany kosa izay Levita nanalavitra ahy, rehefa nanalavitra ahy ny Israelita ka nanompo an\u2019ireo sampiny maharikoriko.",
        "11": "Dia ho lasa mpanompo ao amin\u2019ny toerako masina izy ireo, ka hanara-maso ny vavahadin\u2019ny tempoly sy hanompo ao amin\u2019ny tempoly. Hovonoin\u2019izy ireo ny fanatitra dorana manontolo sy ny sorona ho an\u2019ny vahoaka, dia hijoro eo anatrehan\u2019ny vahoaka izy ireo mba hanompo ny vahoaka.",
        "12": "Nanompo ny vahoaka izy ireo ka nanampy azy tamin\u2019izy ireny nivavaka tamin\u2019ny sampiny maharikoriko, ary lasa vato mahatafintohina nahatonga ny taranak\u2019Israely hanota. Nanangan-tanana \u00e0ry aho ka nianiana fa hamely azy\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, \u2018dia hizaka ny vokatry ny fahadisoany izy ireo.",
        "13": "Tsy hanatona ahy mba hanao ny asan\u2019ny mpisorona izy ireo, na hanakaiky ny zavatra masina na ny zavatra masina indrindra voatokana ho ahy, na inona izany na inona. Dia ho afa-baraka izy ireo, noho ireny zavatra maharikoriko nataony ireny.",
        "14": "Aorian\u2019izany anefa, dia hotendreko hiandraikitra ny tempoly izy ireo, mba hanao ny fanompoana ao sy hikarakara an\u2019izay rehetra tokony hatao ao.\u2019",
        "15": "\u201c\u2018Hanatona ahy kosa ny Levita mpisorona taranak\u2019i Zadoka mba hanompo ahy. Niandraikitra ny toerako masina mantsy izy ireo rehefa nanalavitra ahy ny Israelita. Dia hijoro eo anatrehako izy ireo mba hanolotra ny tavin-kena sy ny ra\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.",
        "16": "\u2018Izy ireo no hiditra ao amin\u2019 ny toerako masina, ka hanatona ny latabatro mba hanompo ahy. Dia hanao ny andraikiny amin\u2019ny fanompoana ahy izy ireo.",
        "17": "\u201c\u2018Akanjo rongony no tokony hanaovany, rehefa miditra ao amin\u2019ireo vavahadin\u2019ny tokotany anatiny izy ireo. Tsy tokony hanao akanjo volonondry izy ireo, rehefa manompo ao amin\u2019ny vavahadin\u2019ny tokotany anatiny na ao anatin\u2019ilay vavahady.",
        "18": "Tokony hanao satroka lamba izy ireo, ary tokony hanao kilaoty\u00a0lava hanaronana ny andilany. Vita amin\u2019ny lamba rongony daholo ireo. Tsy tokony hanao lamba mampahatsemboka azy izy ireo.",
        "19": "Alohan\u2019ny hivoahany any amin\u2019ny tokotany ivelany misy ny vahoaka izy ireo no tokony hanala ny akanjo nentiny nanompo, ka hametraka an\u2019ilay izy ao amin\u2019ny efitra masina fisakafoana. Dia hanao akanjo hafa izy ireo, sao dia ho lasa masina koa ny vahoaka raha mbola anaovany ireny akanjony ireny.",
        "20": "Tsy tokony hosolainy ny lohany. Tsy tokony havelany ho lava\u00a0be koa ny volon-dohany, fa tokony hofaranany.",
        "21": "Tsy tokony hisotro divay ny mpisorona rehefa mankao amin\u2019ny tokotany anatiny.",
        "22": "Tsy tokony ho vehivavy maty vady na efa nisara-bady no halainy ho vady. Azony alaina ho vady kosa anefa ny virjiny avy amin\u2019ny taranak\u2019Israely na ny vady navelan\u2019ny mpisorona efa maty.\u2019",
        "23": "\u201c\u2018Tokony hampianatra ny vahoakako izy ireo hoe inona no maha\u00a0samy hafa ny zavatra masina sy ny zavatra tsy masina, sy ny maha\u00a0samy hafa ny zavatra maloto sy ny zavatra madio.",
        "24": "Izy ireo no tokony hitsara rehefa misy raharaha hotsaraina, ka hitsara mifanaraka amin\u2019ny didim-pitsarana navoakako. Tokony harahiny koa ny lal\u00e0ko sy ny fitsipiko momba ny fety rehetra, ary tokony hohamasininy ny sabatako.",
        "25": "Tsy tokony hanakaiky olona maty izy ireo, sao ho voaloto. Azony atao anefa izany raha ny rainy no maty, na ny reniny, na ny zanany lahy, na ny zanany vavy, na ny rahalahiny, na ny anabaviny mbola tsy manambady.",
        "26": "Rehefa avy nidio ny mpisorona iray, dia tokony hiandry fito andro aloha izy.",
        "27": "Amin\u2019ny andro idirany ao amin\u2019ny toerana masina, rehefa miditra ao amin\u2019ny tokotany anatiny izy mba hanompo ao amin\u2019ny toerana masina, dia tokony hitondra fanatitra noho ny ota izy ka hanolotra an\u2019izany\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.",
        "28": "\u201c\u2018Izao no ho lovan\u2019izy ireo: Izaho no lovany. Tsy tokony homenareo fananana eo amin\u2019ny Israely izy, fa izaho no fananany.",
        "29": "Izy ireo no hihinana ny fanatitra varimbazaha sy ny fanatitra noho ny ota ary ny fanatitra noho ny heloka. Ary ho lasan\u2019izy ireo izay zavatra voatokana rehetra eo amin\u2019ny Israely.",
        "30": "Ho lasan\u2019ny mpisorona ny tsara indrindra amin\u2019ny voaloham-bokatra rehetra, sy ny fanomezana isan-karazany avy aminareo. Tokony homenareo azy koa ny santatry ny varimbazahanareo tsy nototoina malemy. Dia hotahina foana ny tokantranonareo.",
        "31": "Tsy tokony hihinana vorona na biby maty ho azy ny mpisorona, ary tsy tokony hihinana vorona na biby noviravirain\u2019ny bibidia.\u2019"
    },
    "45": {
        "1": "\u201c\u2018Rehefa mizara an\u2019ilay tany ho lovanareo ianareo, dia tokony hisy ampahany hatolotrareo ho fanomezana ho an\u2019i Jehovah. Ho masina io ampahany io. Tokony ho 25\u00a0000\u00a0hakiho ny lavany, ary 10\u00a0000\u00a0hakiho ny sakany. Ho ampahany masina izy manontolo.",
        "2": "Hakana efamira io faritra io mba hanaovana toerana masina, ka 500\u00a0hakiho avy ny lafiny efatra. Ary hisy kijana mirefy 50\u00a0hakiho avy ny lafiny efatra.",
        "3": "Avy amin\u2019io faritra voarefy io ianareo no handrefy 25\u00a0000\u00a0hakiho ho lavany, ary 10\u00a0000\u00a0hakiho ho sakany. Ao no hisy ny toerana masina, dia ilay zavatra masina indrindra.",
        "4": "Ampahany masina alaina avy amin\u2019ilay tany izy io ka ho an\u2019ny mpisorona, ho an\u2019ny mpanompo ao amin\u2019ny toerana masina izay manatona mba hanompo an\u2019i Jehovah. Ao amin\u2019io toerana io no hisy ny tranon\u2019izy ireo, ary ho faritra masina hisy an\u2019ilay toerana masina izy\u00a0io.",
        "5": "\u201c\u2018Hisy ampahany koa ho an\u2019ny Levita, izany hoe ny mpanompo ao amin\u2019ny tempoly, ka 25\u00a0000\u00a0hakiho ny lavany ary 10\u00a0000\u00a0hakiho ny sakany. Homena efitra fisakafoana 20 izy ireo ho fananany.",
        "6": "\u201c\u2018Tokony hanome faritra iray ho fananan\u2019ilay tan\u00e0na ianareo, ka 25\u00a0000\u00a0hakiho ny lavany, izany hoe mitovy amin\u2019ilay fanomezana masina, ary 5\u00a0000\u00a0hakiho ny sakany. Ho an\u2019ny taranak\u2019Israely rehetra izy\u00a0io.",
        "7": "\u201c\u2018Ary homena ny mpiadidy ny andaniny roa amin\u2019ilay fanomezana masina sy ny andaniny roa amin\u2019ilay faritra nomena an\u2019ilay tan\u00e0na. Ho eo akaikin\u2019ilay fanomezana masina sy ilay fananan\u2019ny tan\u00e0na ilay izy, ary ho eo amin\u2019ny ilany andrefana sy ny ilany atsinanana. Hitovy amin\u2019ny lavan\u2019ny tany nomena ny foko iray eo akaikiny ilay izy, manomboka eo amin\u2019ny sisiny andrefana ka hatreo amin\u2019ny sisiny atsinanana.",
        "8": "Ho lasa fananany any Israely io tany io. Tsy hampijaly ny vahoakako intsony ny mpiadidiko, ary hozarazarain\u2019izy ireo amin\u2019ny foko tsirairay amin\u2019ny taranak\u2019Israely ilay tany.\u2019",
        "9": "\u201cIzao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u2018Tafahoatra loatra ny nataonareo, ry\u00a0mpiadidy ny Israely!\u2019 \u201c\u2018Aoka izay ny herisetra sy ny fampijaliana, fa manaova ny rariny sy ny hitsiny. Aza alaina an-keriny intsony ny fananan\u2019ny vahoakako\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.",
        "10": "\u2018Tokony ho mizana marina sy efaha marina ary bata marina no hampiasainareo.",
        "11": "Samy tsy tokony hiova ny fatran\u2019ny efaha sy ny bata. Tokony ho ampahafolon\u2019ny homera ny bata iray, ary ampahafolon\u2019ny homera koa ny efaha iray. Ny homera no tokony hampiasaina rehefa mamatra.",
        "12": "Ny iray sekely dia 20 gera. Ny iray mane kosa 20 sekely miampy 25 sekely sy 15 sekely.\u2019",
        "13": "\u201c\u2018Izao no fanomezana tokony hatolotrareo: Varimbazaha ampahenin\u2019ny efaha isaky ny homera, ary vary orza ampahenin\u2019ny efaha isaky ny homera.",
        "14": "Ny bata no hamarana ny habetsahan\u2019ny menaka tokony homena. Ampahafolon\u2019ny kora ny iray bata. Iray homera ny folo bata, satria mitovy amin\u2019ny iray homera ny folo bata.",
        "15": "Avy amin\u2019ny andian\u2019ondrin\u2019ny Israely no tokony hakanareo ondry iray isaky ny ondry 200. Hampiasaina amin\u2019ny fanatitra varimbazaha sy ny fanatitra dorana manontolo ary ny sorona iombonana ireny, mba hanaovana fandrakofam-pahotana ho an\u2019ny vahoaka\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.",
        "16": "\u201c\u2018Tokony homen\u2019ny vahoaka manontolo ho an\u2019ny mpiadidy ny Israely izany fanomezana izany.",
        "17": "Ilay mpiadidy kosa no hiandraikitra ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra varimbazaha ary ny fanatitra zava-pisotro, mandritra ny fety, ny tsinam-bolana, ny Sabata, ary mandritra ny fety rehetra nasaina nankalazain\u2019ny taranak\u2019Israely. Izy no hanome ny fanatitra noho ny ota, ny fanatitra varimbazaha, ny fanatitra dorana manontolo, ary ny sorona iombonana, mba hanaovana fandrakofam-pahotana ho an\u2019ny taranak\u2019Israely.\u2019",
        "18": "\u201cIzao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u2018Amin\u2019ny andro voalohan\u2019ny volana voalohany, dia mak\u00e0 vantotr\u2019ombilahy iray tsy misy kilema, avy amin\u2019ny andiany. Ary tokony hodiovinareo ho afaka amin\u2019ny ota ny toerana masina.",
        "19": "Dia hakan\u2019ny mpisorona ny ran\u2019ny fanatitra noho ny ota, ka hohosorany an\u2019ilay izy ny tol\u00e0m-baravaran\u2019ny tempoly, sy ny zorony efatra amin\u2019ilay ambaratonga manodidina eo amin\u2019ny alitara, ary ny tol\u00e0m-bavahadin\u2019ny tokotany anatiny.",
        "20": "Izany koa no hataonao amin\u2019ny andro fahafiton\u2019ny volana, ho an\u2019izay manota tsy nahy, na manota satria tsy nahalala. Tokony hanao fandrakofam-pahotana ho an\u2019ilay tempoly ianareo.",
        "21": "\u201c\u2018Amin\u2019ny andro faha-14 amin\u2019ny volana voalohany no hankalazanareo ny Paska. Mandritra ny fito andro, dia mofo tsy misy lalivay no tokony hohanina.",
        "22": "Hanome vantotr\u2019ombilahy iray ho fanatitra noho ny ota ny mpiadidy, amin\u2019io andro io, mba handrakofana ny fahotany sy ny fahotan\u2019ny vahoaka manontolo.",
        "23": "Mandritra ny fito andro hankalazana an\u2019ilay fety, dia hanome vantotr\u2019ombilahy fito sy ondrilahy fito isan\u2019andro izy, mandritra ny fito andro, ho fanatitra dorana manontolo ho an\u2019i Jehovah. Biby tsy misy kilema daholo ireo. Hanome osilahy iray isan\u2019andro koa izy mba ho fanatitra noho ny ota.",
        "24": "Tokony hanome fanatitra varimbazaha koa izy, ka lafarinina iray efaha isaky ny vantotr\u2019ombilahy no homeny, ary lafarinina iray efaha isaky ny ondrilahy. Hanome menaka iray hina isaky ny lafarinina iray efaha koa izy.",
        "25": "\u201c\u2018Manomboka amin\u2019ny andro faha-15 amin\u2019ny volana fahafito, dia tokony hanome fanatitra mitovy amin\u2019ireo ihany izy mandritra ny fito andro amin\u2019ilay fety, na fanatitra noho ny ota izany, na fanatitra dorana manontolo, na fanatitra varimbazaha, na menaka.\u2019\u201d"
    },
    "46": {
        "1": "\u201cIzao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u2018Tokony hihidy foana ny vavahadin\u2019ny tokotany anatiny, izany hoe ilay vavahady mitodika miantsinanana, mandritra ny enina andro fiasana. Tokony hivoha kosa ilay izy amin\u2019ny andro sabata sy rehefa tsinam-bolana.",
        "2": "Hiditra avy any ivelany ny mpiadidy, ka handalo eo amin\u2019ny lala-mitafon\u2019ilay vavahady, dia hijoro eo akaikin\u2019ny tol\u00e0m-bavahady. Dia hanolotra ny fanatitra dorana sy ny sorona iombonana nentin\u2019ny mpiadidy ny mpisorona. Hiankohoka eo an-tokonan\u2019ilay vavahady ilay mpiadidy, dia avy eo hivoaka. Tsy hohidiana anefa ilay vavahady raha tsy efa harivariva.",
        "3": "Hiankohoka eo anatrehan\u2019i Jehovah, eo amin\u2019ny fidirana amin\u2019io vavahady io, koa ny vahoaka isaky ny Sabata sy ny tsinam-bolana.",
        "4": "\u201c\u2018Ondrilahy kely enina tsy misy kilema sy ondrilahy iray tsy misy kilema no fanatitra dorana manontolo hatolotr\u2019ilay mpiadidy ho an\u2019i Jehovah, amin\u2019ny andro sabata.",
        "5": "Hanome fanatitra varimbazaha koa izy, ka lafarinina iray efaha no hampiarahiny amin\u2019ilay ondrilahy, ary izay azony omena no hampiarahiny amin\u2019ireo ondrilahy kely. Hanome menaka iray hina koa izy isaky ny lafarinina iray efaha.",
        "6": "Ireto avy ny fanatitra hatao rehefa tsinam-bolana: Vantotr\u2019ombilahy iray nalaina avy amin\u2019ny andiany, sy ondrilahy kely enina, ary ondrilahy iray. Tsy tokony hisy kilema daholo ireo.",
        "7": "Tokony hanolotra fanatitra varimbazaha koa izy, ka lafarinina iray efaha no hampiarahiny amin\u2019ilay vantotr\u2019ombilahy, ary lafarinina iray efaha koa no hampiarahiny amin\u2019ilay ondrilahy. Izay mba takatry ny fananany kosa no hampiarahiny amin\u2019ireo ondrilahy kely. Tokony hanome menaka iray hina koa izy isaky ny lafarinina iray efaha.",
        "8": "\u201c\u2018Rehefa miditra ny mpiadidy, dia avy eo amin\u2019ny lala-mitafon\u2019ilay vavahady izy no tokony hiditra, ary avy eo koa izy no tokony hivoaka.",
        "9": "Izao kosa no atao rehefa miditra eo anatrehan\u2019i Jehovah ny vahoaka mandritra ny fety: Izay tonga hivavaka ka miditra eo amin\u2019ny vavahady avaratra dia tokony hivoaka eo amin\u2019ny vavahady atsimo, ary izay miditra eo amin\u2019ny vavahady atsimo dia tokony hivoaka eo amin\u2019ny vavahady avaratra. Tsy tokony hisy olona hiverina amin\u2019izay vavahady nidirany, fa izay vavahady mifanatrika aminy ihany no hivoahany.",
        "10": "Rehefa miditra ny vahoaka, dia tokony hiditra koa ny mpiadidy azy ireo, ary rehefa mivoaka ireo, dia tokony hivoaka koa izy.",
        "11": "Izao ny fanatitra varimbazaha tokony hoentin\u2019ilay mpiadidy mandritra ny fety sy ny fotoanan\u2019ny fety: Lafarinina iray efaha no hampiarahiny amin\u2019ilay vantotr\u2019ombilahy, lafarinina iray efaha no hampiarahiny amin\u2019ilay ondrilahy, ary izay azony omena no hampiarahiny amin\u2019ireo ondrilahy kely. Tokony hanome menaka iray hina koa izy isaky ny lafarinina iray efaha.",
        "12": "\u201c\u2018Raha manome fanatitra dorana manontolo ilay mpiadidy, na manome sorona iombonana ho fanatitra an-tsitrapo ho an\u2019i Jehovah, dia hosokafana ilay vavahady mitodika miantsinanana mba hidirany. Hanome an\u2019ilay fanatitra dorana manontolo sy ny sorona iombonana nentiny izy, hoatran\u2019ny fanaony amin\u2019ny andro sabata. Dia hivoaka izy, ary rehefa tafavoaka izy dia hohidiana ilay vavahady.",
        "13": "\u201c\u2018Ondrilahy kely tsy misy kilema sady tsy mihoatra ny herintaona no tokony homenao isan\u2019andro, mba hatao fanatitra dorana manontolo ho an\u2019i Jehovah. Tokony hanao an\u2019izany isa-maraina ianao.",
        "14": "Tokony hanome fanatitra varimbazaha koa ianao hampiarahinao aminy, ka lafarinina ampahenin\u2019ny efaha no homenao isa-maraina. Tokony hanome menaka ampahatelon\u2019ny hina koa ianao mba hafafy eo amin\u2019ilay lafarinina tsara toto. Fanatitra varimbazaha atolotra tsy tapaka ho an\u2019i Jehovah izany. Lal\u00e0na tokony harahina foana izany.",
        "15": "Hanome an\u2019ilay ondrilahy kely sy ilay fanatitra varimbazaha ary ilay menaka izy ireo isa-maraina, mba hatao fanatitra dorana manontolo atolotra tsy tapaka.\u2019",
        "16": "\u201cIzao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u2018Raha manome lova ho an\u2019ny zanany lahy tsirairay ilay mpiadidy, dia ho lasa fananan\u2019ny zanany ilay izy. Fananana nolovan\u2019izy ireo ilay izy.",
        "17": "Raha anomezany ho an\u2019ny iray amin\u2019ireo mpanompony anefa ny lovany, dia ho lasan\u2019ilay mpanompony ilay izy mandra-pahatongan\u2019ny taona fanafahana. Hiverina amin\u2019ilay mpiadidy ilay izy aorian\u2019izay. Ny lova nomeny ho an\u2019ny zanany ihany no hijanona ho fananan\u2019izy ireo foana.",
        "18": "Tsy tokony haka ny lovan\u2019ny vahoaka ilay mpiadidy, ka hanery azy ireo hiala amin\u2019ny taniny. Avy amin\u2019ny tanin\u2019ilay mpiadidy ihany no tokony hanomezany lova ho an\u2019ny zanany, mba tsy hisy horoahina hiala amin\u2019ny taniny ny vahoakako.\u2019\u201d",
        "19": "Dia nentin\u2019ilay lehilahy niditra teo amin\u2019ny fidirana teo akaikin\u2019ilay vavahady aho, mba hankao amin\u2019ireo efitra masina fisakafoana mitodika mianavaratra, izay natokana ho an\u2019ny mpisorona. Ary hitako fa nisy toerana malalaka teo amin\u2019ny farany andrefana.",
        "20": "Dia hoy izy tamiko: \u201cEo amin\u2019io toerana io ny mpisorona no hampangotraka ny fanatitra noho ny heloka sy ny fanatitra noho ny ota, ary eo koa no hataon\u2019izy ireo ao anaty lafaoro ny fanatitra varimbazaha. Amin\u2019izay dia tsy hitondra na inona na inona any amin\u2019ny tokotany ivelany izy ireo, ary tsy ho lasa masina koa ny vahoaka.\u201d",
        "21": "Nentiny nivoaka nankeo amin\u2019ny tokotany ivelany aho avy eo, ka nampandaloviny teo amin\u2019ny zorony efatra amin\u2019ilay tokotany. Dia nahita tokotany teo akaikin\u2019ny zorony tsirairay amin\u2019ilay tokotany ivelany aho.",
        "22": "Samy nisy tokotany kely teo akaikin\u2019ny zorony efatra amin\u2019ilay tokotany, ka 40\u00a0hakiho ny lavany ary 30\u00a0hakiho ny sakany. Nitovy refy daholo ireo tokotany kely efatra ireo.",
        "23": "Nisy rindrina ivaiva nanodidina an\u2019ireo tokotany kely efatra. Ary teo am-pototr\u2019ireo rindrina ireo ny toerana fampangotrahana ny fanatitra.",
        "24": "Dia hoy izy tamiko: \u201cAo amin\u2019ireo trano ireo ny mpanompo ao amin\u2019ny tempoly no mampangotraka ny sorona atolotry ny vahoaka.\u201d"
    },
    "47": {
        "1": "Dia nentin\u2019ilay lehilahy niverina teo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tempoly aho, ka nahita rano nikoriana niantsinanana, nivoaka avy teo ambanin\u2019ny tokonan\u2019ilay tempoly. Nitodika niantsinanana mantsy ilay tempoly. Nikoriana avy teo ambanin\u2019ny ilany ankavanana amin\u2019ny tempoly, teo atsimon\u2019ny alitara, ilay rano.",
        "2": "Nentiny nivoaka tamin\u2019ilay vavahady avaratra aho, dia nankeo ivelany, ary avy eo nihodina nankeo amin\u2019ilay vavahady ivelany mitodika miantsinanana. Ary nahita rano nikoriana avy teo ankavanan\u2019ilay vavahady aho.",
        "3": "Nivoaka niantsinanana ilay lehilahy avy eo, ary nisy tady fandrefesana teny an-tanany. Nandrefy 1\u00a0000\u00a0hakiho izy, dia nasainy niampita an\u2019ilay rano aho, ka hatreo amin\u2019ny kitrokeliko ny rano.",
        "4": "Nandrefy 1\u00a0000\u00a0hakiho indray izy, dia nasainy niampita an\u2019ilay rano aho, ka hatreo amin\u2019ny lohaliko ny rano. Ary mbola nandrefy 1\u00a0000\u00a0hakiho izy, dia nasainy niampita an\u2019ilay rano aho, ka hatreo amin\u2019ny andilako ny rano.",
        "5": "Dia nandrefy 1\u00a0000\u00a0hakiho indray ilay lehilahy. Efa renirano ilay izy ka tsy afaka niampita intsony aho. Lalina be mantsy ilay rano ka tsy maintsy nilomano aho raha hiampita, fa tsy afaka nandeha an-tongotra intsony.",
        "6": "Ary hoy izy tamiko: \u201cHitanao ve io, ry\u00a0zanak\u2019olona?\u201d Nasainy niverina teo amoron\u2019ilay renirano aho avy eo.",
        "7": "Rehefa niverina aho, dia nahita hazo be dia be teo amoron\u2019ilay renirano, teo amin\u2019ny andaniny roa.",
        "8": "Dia hoy izy tamiko: \u201cMikoriana mankany amin\u2019ny faritra atsinanana io rano io, ary tonga hatrany Araba, ka mivarina any an-dranomasina. Rehefa tonga any an-dranomasina ilay rano, dia ho sitrana ilay ranomasina.",
        "9": "Hisy zavamananaina be dia be ho velona any amin\u2019izay ikorianan\u2019ilay rano. Dia hisy trondro be dia be any, satria hikoriana any ilay rano. Ho sitrana ilay ranomasina, ary ho velona ny zava-drehetra any amin\u2019izay ikorianan\u2019ilay renirano.",
        "10": "\u201cHisy mpanjono hitsangana eny amorony, manomboka any En-jedy ka hatrany En-eglaima. Hisy toerana fanahazana harato any En-eglaima, ary hisy karazan-trondro be dia be hoatran\u2019ny ao amin\u2019ny Ranomasina Lehibe.",
        "11": "\u201cHisy heniheny sy honahona eny amoron\u2019ilay ranomasina, nefa tsy ho sitrana ireny, fa havela hisy sira eo foana.",
        "12": "\u201cHisy hazo fihinam-boa isan-karazany haniry eny amoron\u2019ilay renirano, eo amin\u2019ny andaniny roa. Tsy halazo ny raviny, ary hisy foana ny voany. Hamoa isam-bolana izy ireo, satria mikoriana avy ao amin\u2019ny toerana masina ny rano manondraka azy. Ho fihinana ny voany, ary ho fanasitranana ny raviny.\u201d",
        "13": "Izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u201cIty no faritra hatokanareo ho lovan\u2019ny foko roa ambin\u2019ny folon\u2019ny Israely, ka hahazo anjaran\u2019olon-droa i Josefa.",
        "14": "Handova azy ity ianareo, ka hahazo anjara mitovy. Efa nianiana aho hoe homena ny razambenareo ity tany ity, dia izao ilay izy omena ho lovanareo.",
        "15": "\u201cIzao no faritr\u2019ilay tany eo amin\u2019ny ilany avaratra: Manomboka eo amin\u2019ny Ranomasina Lehibe ilay izy, dia manaraka ny lalana mankany Hetlona, hatrany Zedada,",
        "16": "Hamata, Berota, ary Sibraima izay eo anelanelan\u2019ny faritanin\u2019i Damaskosy sy ny faritanin\u2019i Hamata, dia avy eo hatrany Hazera-hatikona, izay eo amin\u2019ny sisin-tanin\u2019i Haorana.",
        "17": "Manomboka eo amin\u2019ny ranomasina \u00e0ry ilay sisin-tany ka hatrany Hazara-enana, dia avy eo manaraka ny sisin-tanin\u2019i Damaskosy ka hatrany avaratra, ary hatrany amin\u2019ny sisin-tanin\u2019i Hamata. Izany no sisiny avaratra.",
        "18": "\u201cNy ilany atsinanana indray eo anelanelan\u2019i Haorana sy Damaskosy, dia manamorona ny faritr\u2019i Jordana, eo anelanelan\u2019i Gileada sy ny tanin\u2019ny Israely. Tokony horefesinao daholo manomboka eo amin\u2019ilay sisin-tany ka hatrany amin\u2019ny ranomasina atsinanana. Izany no sisiny atsinanana.",
        "19": "\u201cNy sisiny atsimo kosa manomboka eo Tamara ka hatreo amin\u2019ny ranon\u2019i Meribata-kadesy, dia avy eo hatrany amin\u2019ilay Renirano ka hatrany amin\u2019ny Ranomasina Lehibe. Izany no sisiny atsimo.",
        "20": "\u201cEo amin\u2019ny ilany andrefana ny Ranomasina Lehibe, manomboka eo amin\u2019ny sisin-tany ka hatrany amin\u2019ny toerana iray tandrifin\u2019i Lebo-hamata. Izany no sisiny andrefana.\u201d",
        "21": "\u201cZarao ho anareo foko roa ambin\u2019ny folon\u2019ny Israely io tany io.",
        "22": "Tokony hozarainareo ho lovanareo izy io. Tokony homenareo lova amin\u2019izy io koa ny vahiny miara-mipetraka aminareo, izay niteraka rehefa niara-nipetraka taminareo. Ho toy ny teratany israelita mihitsy izy ireo, aminareo. Dia hahazo lova eo amin\u2019ny fokon\u2019ny Israely miaraka aminareo izy ireo.",
        "23": "Ary ao amin\u2019ny tanin\u2019izay foko ipetrahany ilay hafa firenena no tokony homenareo lova\u201d, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony."
    },
    "48": {
        "1": "\u201cIreto avy ny anjaran\u2019ireo foko, manomboka eo amin\u2019ny farany avaratra: Ny anjaran\u2019i Dana dia manaraka ny lalana mankany Hetlona hatrany Lebo-hamata ka hatrany Hazara-enana, dia avy eo manaraka ny sisin-tanin\u2019i Damaskosy mianavaratra, any akaikin\u2019i Hamata. Manomboka eo amin\u2019ny sisiny atsinanana ka hatreo amin\u2019ny sisiny andrefana izy io.",
        "2": "Ny anjaran\u2019i Asera indray mifanila amin\u2019ny sisin-tanin\u2019i Dana, manomboka eo amin\u2019ny sisiny atsinanana ka hatreo amin\u2019ny sisiny andrefana.",
        "3": "Ny anjaran\u2019i Naftaly kosa mifanila amin\u2019ny sisin-tanin\u2019i Asera, manomboka eo amin\u2019ny sisiny atsinanana ka hatreo amin\u2019ny sisiny andrefana.",
        "4": "Ny anjaran\u2019i Manase indray mifanila amin\u2019ny sisin-tanin\u2019i Naftaly, manomboka eo amin\u2019ny sisiny atsinanana ka hatreo amin\u2019ny sisiny andrefana.",
        "5": "Ny anjaran\u2019i Efraima kosa mifanila amin\u2019ny sisin-tanin\u2019i Manase, manomboka eo amin\u2019ny sisiny atsinanana ka hatreo amin\u2019ny sisiny andrefana.",
        "6": "Ny anjaran\u2019i Robena indray mifanila amin\u2019ny sisin-tanin\u2019i Efraima, manomboka eo amin\u2019ny sisiny atsinanana ka hatreo amin\u2019ny sisiny andrefana.",
        "7": "Ny anjaran\u2019i Joda kosa mifanila amin\u2019ny sisin-tanin\u2019i Robena, manomboka eo amin\u2019ny sisiny atsinanana ka hatreo amin\u2019ny sisiny andrefana.",
        "8": "Tokony hatokanareo ho fanomezana ny ampahany eo amin\u2019ny sisin-tanin\u2019i Joda, manomboka eo amin\u2019ny sisiny atsinanana ka hatreo amin\u2019ny sisiny andrefana. Tokony hirefy 25\u00a0000\u00a0hakiho ny sakany. Tokony hitovy amin\u2019ny lavan\u2019ny tany nomena ny foko hafa koa ny lavany, manomboka eo amin\u2019ny sisiny atsinanana ka hatreo amin\u2019ny sisiny andrefana. Ary ho eo afovoan\u2019izy io ny toerana masina.",
        "9": "\u201cHirefy 25\u00a0000\u00a0hakiho ny lavan\u2019ilay fanomezana tokony hatokanareo ho an\u2019i Jehovah, ary ho 10\u00a0000\u00a0hakiho ny sakany.",
        "10": "Izany no ho fanomezana masina ho an\u2019ny mpisorona. Hirefy 25\u00a0000\u00a0hakiho ny ilany avaratra, 10\u00a0000\u00a0hakiho ny eo andrefana, 10\u00a0000\u00a0hakiho ny eo atsinanana, ary 25\u00a0000\u00a0hakiho ny eo atsimo. Ary ho eo afovoan\u2019izy io ny toerana masin\u2019i Jehovah.",
        "11": "Ho an\u2019ny mpisorona efa nohamasinina avy amin\u2019ny taranak\u2019i Zadoka izany, ho an\u2019ireo nanao ny andraikiny tamin\u2019ny fanompoana ahy, fa tsy mba nanaraka lalan-diso, rehefa nanaraka lalan-diso ny Israelita sy ny Levita.",
        "12": "Hahazo anjara avy amin\u2019ilay tany natao ho fanomezana izy ireo, eo amin\u2019ny sisin-tanin\u2019ny Levita. Ary hatokana ho zavatra masina indrindra izany anjarany izany.",
        "13": "\u201cHanana anjara eo akaikin\u2019ny tanin\u2019ny mpisorona ny Levita ka 25\u00a0000\u00a0hakiho ny lavany, ary 10\u00a0000\u00a0hakiho ny sakany. Hirefy 25\u00a0000\u00a0hakiho ny lavany manontolo, ary 10\u00a0000\u00a0hakiho ny sakany.",
        "14": "Tsy tokony hamidiny ny tsara indrindra amin\u2019ilay tany, na hatakalony, na hafindrany amin\u2019olon-kafa. Masina amin\u2019i Jehovah mantsy izany.",
        "15": "\u201cHo azon\u2019ny vahoaka eo an-tan\u00e0na ampiasaina mba hanorenana trano na hatao kijana ny faritra ambiny. Hirefy 5\u00a0000\u00a0hakiho ny sakany, ary manaraka ny sisin\u2019ilay 25\u00a0000\u00a0hakiho izy io. Ho eo afovoan\u2019izy io ilay tan\u00e0na.",
        "16": "Ireto ny refin\u2019ilay tan\u00e0na: Hirefy 4\u00a0500\u00a0hakiho ny sisiny avaratra, 4\u00a0500\u00a0hakiho ny sisiny atsimo, 4\u00a0500\u00a0hakiho ny sisiny atsinanana, ary 4\u00a0500\u00a0hakiho ny sisiny andrefana.",
        "17": "Izao kosa no refin\u2019ny kijanan\u2019ilay tan\u00e0na: Hirefy 250\u00a0hakiho ny eo avaratra, 250\u00a0hakiho ny eo atsimo, 250\u00a0hakiho ny eo atsinanana, ary 250\u00a0hakiho ny eo andrefana.",
        "18": "\u201cHitovy amin\u2019ny lavan\u2019ilay fanomezana masina ny lavan\u2019ilay faritra ambiny, ary 10\u00a0000\u00a0hakiho ny refiny eo atsinanana, ary 10\u00a0000\u00a0hakiho ny eo andrefana. Hitovy amin\u2019ny lavan\u2019ny fanomezana masina izy io, ary ny vokatra ao no ho sakafon\u2019ireo manompo ao amin\u2019ilay tan\u00e0na.",
        "19": "Izay mpanompo ao amin\u2019ilay tan\u00e0na avy amin\u2019ny foko rehetra eo amin\u2019ny Israely no hamboly ao.",
        "20": "\u201cEfamira ilay fanomezana manontolo ka 25\u00a0000\u00a0hakiho ny lafiny tsirairay. Tokony hatokanareo ho fanomezana masina ilay izy, miaraka amin\u2019ny fananan\u2019ny tan\u00e0na.",
        "21": "\u201cHo an\u2019ny mpiadidy ny ambiny, eo amin\u2019ny andaniny roa amin\u2019ilay fanomezana masina sy ilay fananan\u2019ny tan\u00e0na. Ho eo anilan\u2019ireo 25\u00a0000\u00a0hakiho, eo atsinanana sy eo andrefan\u2019ilay fanomezana izy io. Hitovy amin\u2019izay anjara hafa eo akaikiny izy io, ary ho anjaran\u2019ny mpiadidy. Ho eo afovoan\u2019izy io ilay fanomezana masina sy ny toerana masina, dia ny tempoly.",
        "22": "\u201cHo eo anelanelan\u2019ny fananan\u2019ny mpiadidy ny fananan\u2019ny Levita sy ny fananan\u2019ny tan\u00e0na. Ho eo anelanelan\u2019ny sisin-tanin\u2019i Joda sy ny sisin-tanin\u2019i Benjamina kosa ny tanin\u2019ny mpiadidy.",
        "23": "\u201cIzao indray no anjaran\u2019ny foko sisa: Ny anjaran\u2019i Benjamina dia manomboka eo amin\u2019ny sisiny atsinanana ka hatreo amin\u2019ny sisiny andrefana.",
        "24": "Ny anjaran\u2019i Simeona dia mifanila amin\u2019ny sisin-tanin\u2019i Benjamina, manomboka eo amin\u2019ny sisiny atsinanana ka hatreo amin\u2019ny sisiny andrefana.",
        "25": "Ny anjaran\u2019i Isakara indray mifanila amin\u2019ny sisin-tanin\u2019i Simeona, manomboka eo amin\u2019ny sisiny atsinanana ka hatreo amin\u2019ny sisiny andrefana.",
        "26": "Ny anjaran\u2019i Zebolona kosa mifanila amin\u2019ny sisin-tanin\u2019i Isakara, manomboka eo amin\u2019ny sisiny atsinanana ka hatreo amin\u2019ny sisiny andrefana.",
        "27": "Ny anjaran\u2019i Gada indray mifanila amin\u2019ny sisin-tanin\u2019i Zebolona, manomboka eo amin\u2019ny sisiny atsinanana ka hatreo amin\u2019ny sisiny andrefana.",
        "28": "Ny sisiny atsimo eo akaikin\u2019ny sisin-tanin\u2019i Gada, dia manomboka eo Tamara ka hatreo amin\u2019ny ranon\u2019i Meribata-kadesy sy ilay Renirano, ka hatrany amin\u2019ny Ranomasina Lehibe.",
        "29": "\u201cIzany no tany tokony hozarainareo ho lovan\u2019ny fokon\u2019ny Israely, ary ireny no ho anjaran\u2019izy ireo\u201d, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.",
        "30": "\u201cIreto avy ny fivoahana avy ao amin\u2019ilay tan\u00e0na: Hirefy 4\u00a0500\u00a0hakiho ny ilany avaratra.",
        "31": "\u201cHampitondraina ny anaran\u2019ny fokon\u2019ny Israely ny vavahadin\u2019ilay tan\u00e0na. Vavahady telo ny eo avaratra ka vavahadin\u2019i Robena ny iray, vavahadin\u2019i Joda ny iray, ary vavahadin\u2019i Levy ny iray.",
        "32": "\u201cHo 4\u00a0500\u00a0hakiho ny ilany atsinanana, ary vavahady telo no eo: Vavahadin\u2019i Josefa ny iray, vavahadin\u2019i Benjamina ny iray, ary vavahadin\u2019i Dana ny iray.",
        "33": "\u201cHirefy 4\u00a0500\u00a0hakiho ny ilany atsimo, ary vavahady telo no eo: Vavahadin\u2019i Simeona ny iray, vavahadin\u2019i Isakara ny iray, ary vavahadin\u2019i Zebolona ny iray.",
        "34": "\u201cHo 4\u00a0500\u00a0hakiho ny ilany andrefana, ary vavahady telo no eo: Vavahadin\u2019i Gada ny iray, vavahadin\u2019i Asera ny iray, ary vavahadin\u2019i Naftaly ny iray.",
        "35": "\u201cHirefy 18\u00a0000\u00a0hakiho ny manodidina. Ary izao no ho anaran\u2019ilay tan\u00e0na, manomboka amin\u2019io andro io: I Jehovah no Ao.\u201d"
    },
    "meta": {
        "name": "Ezekiela",
        "order": 25,
        "chapter_number": 48
    }
}