mg-bibles
Version:
A package for accessing Bible verses in Malagasy (MG), Diem, King James (KJV), and Louis Segond (APEE) versions
195 lines (194 loc) • 40.9 kB
JSON
{
"1": {
"1": "Izao no nitranga tamin\u2019ny andron\u2019i Ahasoerosy. Izy ilay Ahasoerosy nanjaka tamin\u2019ny faritany 127, hatrany India ka hatrany Etiopia.",
"2": "Nipetraka teo amin\u2019ny seza fiandrianany tao an-dapan\u2019i Sosana i Ahasoerosy Mpanjaka tamin\u2019izany andro izany,",
"3": "tamin\u2019ny taona fahatelo nanjakany, ary nanao fanasambe ho an\u2019ny andrianany sy ny mpanompony rehetra izy. Tonga tao amin\u2019ilay fanasana koa ny tafik\u2019i Persa sy Media, sy ny olona ambony, ary ny andrianan\u2019ny faritany.",
"4": "Nasehony tamin\u2019izy ireo nandritra ny 180 andro ny harenan\u2019ny fanjakany be\u00a0voninahitra sy ny heriny lehibe ary ny voninahiny.",
"5": "Rehefa tapitra ireo andro ireo, dia nanao fanasambe naharitra fito andro ny mpanjaka, ho an\u2019izay rehetra tao an-dapan\u2019i Sosana, hatramin\u2019ny olona ambony ka hatramin\u2019ny olon-tsotra. Natao tao amin\u2019ny zaridainan\u2019ny lapan\u2019ny mpanjaka ilay izy.",
"6": "Noravahana lamba rongony sy lamba landihazo malefaka ary lamba manga ilay zaridaina. Ireo lamba ireo kosa nofatorana tamin\u2019ny kofehy vita tamin\u2019ny lamba tena tsara sy kofehy volonondry volomparasy. Ireo kofehy indray nafatotra teo amin\u2019ny tahony boribory volafotsy izay teo amin\u2019ny andry marbra. Ary nisy fandriana volamena sy volafotsy koa teo ambony rarivato vita tamin\u2019ny p\u00f4rfira sy marbra fotsy sy hara ary marbra mainty.",
"7": "Naroso tamin\u2019ny kaopy volamena ny divay, ary samy hafa daholo ny kaopy. Be dia be mihitsy ny divay, araka izay nananan\u2019ny mpanjaka.",
"8": "Ny fitsipika tamin\u2019izay dia hoe tsy misy tokony hoteriterena, fa efa nifampiresaka tamin\u2019ny manamboninahitra tao an-dapany ny mpanjaka hoe afaka misotro an\u2019izay laniny ny tsirairay.",
"9": "Nanao fanasambe ho an\u2019ny vehivavy koa i Vasty vadin\u2019ny mpanjaka, tao amin\u2019ny tranon\u2019i Ahasoerosy Mpanjaka.",
"10": "Tamin\u2019ny andro fahafito, rehefa falifaly iny ny fon\u2019ny mpanjaka noho izy nisotro divay, dia noteneniny i Mehomana, Bizta, Harbona, Bigta, Abagta, Zetara, ary Karkasa, izany hoe ireo tandapa fito lahy nanompo an\u2019i Ahasoerosy Mpanjaka,",
"11": "mba hitondra an\u2019i Vasty vadin\u2019ny mpanjaka ho eo anatrehany, manao diadema. Tiany haseho amin\u2019ny olona sy ny andriana mantsy ny hatsaran-tarehiny, fa tena tsara tarehy izy.",
"12": "Tsy nanaiky ny didin\u2019ny mpanjaka nampitain\u2019ny tandapa anefa i Vasty vadin\u2019ny mpanjaka, ka tsy nety nankany mihitsy. Dia tezitra be ny mpanjaka sady romotra\u00a0be.",
"13": "Niresaka tamin\u2019ny olon-kendry nahay tsara ny efa fanao teo aloha \u00e0ry ny mpanjaka. Isaky ny nisy nanahiran-tsaina ny mpanjaka mantsy, dia naka hevitra tamin\u2019izay rehetra nahalala tsara ny lal\u00e0na sy ny fitsarana izy.",
"14": "I Karsena, Setara, Admata, Tarsisy, Meresa, Marsena, ary Memokana no olona akaiky azy indrindra. Andriana fiton\u2019i Persa sy Media izy ireo, sady afaka nankeo anatrehan\u2019ny mpanjaka, ary nitana ny toerana ambony indrindra tao amin\u2019ny fanjakana.",
"15": "Dia hoy ny mpanjaka: \u201cRaha araka ny lal\u00e0na, inona no tokony hatao amin\u2019i Vasty vadin\u2019ny mpanjaka, noho izy tsy nanaiky ny didin\u2019i Ahasoerosy Mpanjaka nampitain\u2019ny tandapa?\u201d",
"16": "Dia hoy i Memokana teo anatrehan\u2019ny mpanjaka sy ny andriana: \u201cTsy tamin\u2019ny mpanjaka ihany i Vasty vadin\u2019ny mpanjaka no diso, fa tamin\u2019ny andriana rehetra koa sy tamin\u2019ny olona rehetra any amin\u2019ny faritany rehetra manerana ny fanjakan\u2019i Ahasoerosy Mpanjaka.",
"17": "Ho fantatry ny vehivavy rehetra mantsy izay nataon\u2019ny vadin\u2019ny mpanjaka, ka hanao tsinontsinona ny vadiny izy ireo, sady hiteny hoe: \u2018Na i Ahasoerosy Mpanjaka aza nampiantso an\u2019i Vasty vadiny hankeo anatrehany, fa tsy nety i Vasty.\u2019",
"18": "Dia rehefa fantatry ny andriambavin\u2019i Persa sy Media izay nataon\u2019ny vadin\u2019ny mpanjaka, dia hiresaka an\u2019ilay izy amin\u2019ny vadiny koa izy ireo, ka ho be dia be ny olona tsy hanaja sy ho tezitra.",
"19": "Raha mety amin\u2019ny mpanjaka \u00e0ry, dia aleo ny mpanjaka hamoaka didy hoe tsy mahazo miditra eo anatrehan\u2019i Ahasoerosy Mpanjaka intsony i Vasty. Dia aleo homen\u2019ny mpanjaka ho an\u2019izay vehivavy hafa tsara noho izy ny toeram-boninahitr\u2019i Vasty. Tokony hosoratana ao amin\u2019ny lal\u00e0n\u2019i Persa sy Media, izay tsy azo foanana, ilay didy.",
"20": "Rehefa henon\u2019ny olona manerana an\u2019ity fanjakana midadasika ity ny didin\u2019ny mpanjaka, dia hanome voninahitra ny vadiny ny vehivavy rehetra, hatramin\u2019ny olona ambony ka hatramin\u2019ny olon-tsotra.\u201d",
"21": "Tian\u2019ny mpanjaka sy ny andriana ilay hevitra, ka nanao izay nolazain\u2019i Memokana ny mpanjaka.",
"22": "Nandefasany taratasy \u00e0ry ny faritany rehetra eran\u2019ilay fanjakana, ka nosoratana araka izay soratra fampiasan\u2019ny faritany tsirairay sy araka ny fitenin\u2019ny firenena tsirairay ilay izy. Voalaza tao fa ny lehilahy rehetra no masi-mandidy ao an-tokantranony, ary ny fitenin-drazany no tsy maintsy ampiasaina\u00a0ao."
},
"2": {
"1": "Taorian\u2019izany, rehefa tsy tezitra intsony i Ahasoerosy Mpanjaka, dia tsaroany ny nataon\u2019i Vasty sy ny sazy nampiharina taminy.",
"2": "Dia hoy ny mpanompon\u2019ny mpanjaka: \u201cTokony hitadiavana tovovavy virjiny tsara tarehy ny mpanjaka.",
"3": "Aleo ny mpanjaka manendry solontena any amin\u2019ny faritany rehetra ao amin\u2019ny fanjakany, ary ireo kosa hanangona ny tovovavy virjiny tsara tarehy rehetra mba hatao ao amin\u2019ny tranom-behivavy, ato an-dapan\u2019i Sosana. Dia aleo i Hegay tandapan\u2019ny mpanjaka sady mpiambina ny vehivavy no hiandraikitra an\u2019ireo tovovavy ireo, ary tokony hokarakaraina tsara ry zareo hanatsarana ny bika aman\u2019endriny.",
"4": "Dia izay tovovavy tena mahafinaritra ny mpanjaka no ho vadin\u2019ny mpanjaka hisolo an\u2019i Vasty.\u201d Nahafaly ny mpanjaka ilay soso-kevitra, ka narahiny.",
"5": "Nisy lehilahy jiosy iray atao hoe Mordekay tao an-dapan\u2019i Sosana. Izy dia zanak\u2019i Jaira, zanak\u2019i Simey, zanak\u2019i Kisy Benjaminita,",
"6": "sady anisan\u2019ireo nentina avy tany Jerosalema ka natao sesitany niaraka tamin\u2019i Jekonia mpanjakan\u2019ny Joda, izay nentin\u2019i Nebokadnezara mpanjakan\u2019i Babylona tany an-tsesitany.",
"7": "I Mordekay no nitaiza an\u2019i Hadasa, izany hoe Estera, satria kamboty ray sy reny ilay tovovavy. Zanaky ny rahalahin-drain\u2019i Estera i Mordekay, ary noraisiny ho zanany ilay tovovavy, rehefa maty ny rainy sy ny reniny. Sady tsara bika izy no tsara tarehy.",
"8": "Rehefa nolazaina tamin\u2019ny vahoaka ny didin\u2019ny mpanjaka sy ny lal\u00e0ny, dia be dia be ny tovovavy nangonina tao an-dapan\u2019i Sosana. Anisan\u2019ireo vehivavy nentina tao amin\u2019ny tranon\u2019ny mpanjaka ireo koa i Estera. I Hegay, mpiambina ny vehivavy, no niandraikitra azy ireo.",
"9": "Ary nahafinaritra an\u2019i Hegay ilay tovovavy, ka tsara fanahy taminy izy. Tonga dia nasainy nokarakaraina tsara i Estera mba hanatsarana ny bika aman\u2019endriny, sady nasainy nomena sakafo manokana izy. Nanendry tovovavy fito nofantenana avy tao an-tranon\u2019ny mpanjaka koa i Hegay mba hikarakara an\u2019i Estera. Dia nafindrany tany amin\u2019ny toerana tsara indrindra tao amin\u2019ny tranom-behivavy izy sy ireo tovovavy mpanampy azy.",
"10": "Tsy niteniteny momba ny fireneny na ny havany anefa i Estera, satria efa notenenin\u2019i Mordekay mba tsy hilaza an\u2019izany na amin\u2019iza na amin\u2019iza.",
"11": "Ary nandalondalo teo alohan\u2019ny tokotanin\u2019ny tranom-behivavy foana i Mordekay isan\u2019andro, mba hahalalany hoe manao ahoana i Estera, ary hoatran\u2019ny ahoana ny fiainany\u00a0ao.",
"12": "Nifandimby nankao amin\u2019i Ahasoerosy Mpanjaka ny tovovavy tsirairay, rehefa tapitra ny 12\u00a0volana nikarakarana ny bika aman\u2019endriny. Izany mantsy no fotoana tsy maintsy nikarakarana an\u2019ireo vehivavy ireo mba hanatsarana ny bika aman\u2019endriny. Enim-bolana izy niotra tamin\u2019ny menaka miora, ary enim-bolana niotra tamin\u2019ny menaka balsama sy menaka samihafa fikarakarana sy fanatsarana bika aman\u2019endrika.",
"13": "Vonona hankao amin\u2019ny mpanjaka ilay tovovavy taorian\u2019izay. Dia nomena azy izay rehetra nangatahiny, rehefa niala tao amin\u2019ny tranom-behivavy izy ka nankao amin\u2019ny tranon\u2019ny mpanjaka.",
"14": "Nankao izy ny takariva, fa niverina tany amin\u2019ny trano faharoa nisy ny vehivavy kosa rehefa maraina. I Sasegaza, tandapan\u2019ny mpanjaka sady mpiambina ny vadikeliny, no niandraikitra azy ireo. Tsy nankao amin\u2019ny mpanjaka intsony izy raha tsy hoe tena nahafinaritra ny mpanjaka angaha, ka nampanantsoiny indray.",
"15": "Anjaran\u2019i Estera amin\u2019izay ny niditra tao amin\u2019ny mpanjaka. Izy ilay zanak\u2019i Abihaila dadatoan\u2019i Mordekay, fa noraisin\u2019i Mordekay ho zanany. Tsy nangataka na inona na inona i Estera, afa-tsy izay nolazain\u2019i Hegay tandapan\u2019ny mpanjaka sady mpiambina ny vehivavy. Ary tsara fanahy tamin\u2019i Estera izay rehetra nahita azy.",
"16": "Nentina tao an-dapan\u2019i Ahasoerosy Mpanjaka i Estera, tamin\u2019ny volana fahafolo, izany hoe ny volana Tebeta, tamin\u2019ny taona fahafito nanjakany.",
"17": "Ary tian\u2019ny mpanjaka mihoatra noho ny vehivavy rehetra i Estera. Izy no nahafinaritra azy sy nankasitrahany mihoatra noho ireo virjiny rehetra. Dia napetrany teo an-dohan\u2019i Estera ny diadema, ary nataony solon\u2019i Vasty izy ka lasa vadin\u2019ny mpanjaka.",
"18": "Ary nanao fanasambe ho an\u2019ny andrianany sy ny mpanompony rehetra ny mpanjaka, ho fanomezam-boninahitra an\u2019i Estera. Nilaza koa izy hoe hasiana famotsoran-keloka any amin\u2019ireo faritany. Nanao fanomezana foana araka izay nananany koa izy.",
"19": "Nipetraka teo am-bavahadin\u2019ny mpanjaka i Mordekay, rehefa novorina fanindroany ireo virjiny.",
"20": "Ary tsy niteniteny momba ny havany na ny fireneny i Estera, araka ny tenin\u2019i Mordekay taminy. Nanao an\u2019izay nolazain\u2019i Mordekay foana izy, hoatran\u2019ny nataony tamin\u2019izy mbola notezainy.",
"21": "Tamin\u2019izany fotoana izany, tamin\u2019i Mordekay nipetraka teo am-bavahadin\u2019ny mpanjaka, dia tezitra i Bigtana sy Taresy, tandapan\u2019ny mpanjaka sady mpiandry varavarana, ka nanao tetika hamonoana an\u2019i Ahasoerosy Mpanjaka.",
"22": "Lasa fantatr\u2019i Mordekay anefa ilay tetika, ka tonga dia nolazainy tamin\u2019i Estera vadin\u2019ny mpanjaka. I Estera indray niresaka tamin\u2019ny mpanjaka, tamin\u2019ny anaran\u2019i Mordekay.",
"23": "Dia nisy fanadihadiana natao ka fantatra fa tena nisy tokoa ilay tetika. Nahantona teo amin\u2019ny tsato-kazo \u00e0ry izy roa lahy. Dia nosoratana tao amin\u2019ny boky mirakitra ny tantara daholo izany, teo anatrehan\u2019ny mpanjaka."
},
"3": {
"1": "Taorian\u2019izany, dia nomen\u2019i Ahasoerosy Mpanjaka toerana ambony i Hamana zanak\u2019i Hamedota Agagita. Nasandrany izy, ka nataony ambony kokoa noho ny an\u2019ny andriana hafa rehetra ny toerany.",
"2": "Dia niondrika sy niankohoka teo anatrehan\u2019i Hamana daholo ny mpanompon\u2019ny mpanjaka teo am-bavahady, satria izany no baikon\u2019ny mpanjaka. I Mordekay kosa tsy nety niondrika na niankohoka.",
"3": "Dia hoy ny mpanompon\u2019ny mpanjaka teo am-bavahady tamin\u2019i Mordekay: \u201cManinona ianao no tsy miraharaha ny baikon\u2019ny mpanjaka?\u201d",
"4": "Nanontany an\u2019izany isan\u2019andro izy ireo, nefa tsy nohenoiny mihitsy. Nilaza tamin\u2019izy ireo koa i Mordekay hoe Jiosy izy. Niresaka tamin\u2019i Hamana \u00e0ry izy ireo, dia nanontany azy raha mbola holeferina ihany na tsia ny fihetsik\u2019i Mordekay.",
"5": "Ary hitan\u2019i Hamana fa tsy nety niondrika na niankohoka teo anatrehany i Mordekay, ka romotra be izy.",
"6": "Tena tsy tiany anefa raha i Mordekay irery no hovonoina. Efa nisy niresaka taminy mantsy hoe inona ny firenena niavian\u2019i Mordekay. Nitady hevitra \u00e0ry izy mba handripahana ny Jiosy rehetra, dia ny firenen\u2019i Mordekay eran\u2019ny fanjakan\u2019i Ahasoerosy.",
"7": "Tamin\u2019ny volana voalohany, izany hoe ny volana Nisana, tamin\u2019ny taona faha-12 nanjakan\u2019i Ahasoerosy Mpanjaka, dia nisy nanao Pora\u2014na Antsapaka\u2014teo imason\u2019i Hamana mba hahafantarany ny andro sy ny volana hanaovana an\u2019izany. Dia ny volana faha-12, izany hoe ny volana Adara, no voafidy.",
"8": "Dia hoy i Hamana tamin\u2019i Ahasoerosy Mpanjaka: \u201cMisy vahoaka iray miparitaka sy miely any amin\u2019ny faritany rehetra manerana ny fanjakanao. Tsy mitovy amin\u2019ny an\u2019ny vahoaka rehetra ny lal\u00e0ny, ary tsy mba mankat\u00f2 ny lal\u00e0n\u2019ny mpanjaka izy. Tsy hitondra soa ho an\u2019ny mpanjaka \u00e0ry raha avela amin\u2019izao fotsiny izy ireo.",
"9": "Raha mba mety amin\u2019ny mpanjaka, dia aleo hisy didy hatao an-tsoratra hoe haripaka izy ireo. Dia handoa volafotsy 10\u00a0000\u00a0talenta amin\u2019ny manam-pahefana aho, harotsaka ao amin\u2019ny tahirim-bolam-panjakana.\u201d",
"10": "Nesorin\u2019ny mpanjaka teny an-tanany \u00e0ry ny peratra fanombohan-kaseny ka nomeny an\u2019i Hamana, zanak\u2019i Hamedota Agagita, ilay fahavalon\u2019ny Jiosy.",
"11": "Ary hoy ny mpanjaka tamin\u2019i Hamana: \u201cHomena anao ny volafotsy sy izany vahoaka izany, ka ataovy izay hitanao fa mety.\u201d",
"12": "Dia nantsoina ny mpitan-tsoratry ny mpanjaka tamin\u2019ny andro faha-13 amin\u2019ny volana voalohany. Nosoratan\u2019izy ireo daholo ny didy navoakan\u2019i Hamana ho an\u2019ny lehibem-paritany notendren\u2019ny mpanjaka sy ny governoran\u2019ny faritany ary ny mpifehy isam-pirenena. Nosoratana araka izay soratra fampiasan\u2019ny faritany tsirairay sy ny fitenin\u2019ny firenena tsirairay izany. Natao tamin\u2019ny anaran\u2019i Ahasoerosy Mpanjaka koa ilay izy, sady notombohina tamin\u2019ny peratra fanombohan-kaseny.",
"13": "Dia nampitondraina an\u2019ireo mpitondra hafatra ny taratasy ho an\u2019ny faritany rehetra eran\u2019ilay fanjakana. Voasoratra tao ilay didy hoe hovonoina sy haringana ary haripaka daholo ny Jiosy rehetra, na antitra na tanora, na ny zaza na ny vehivavy, ary halaina daholo ny fananany. Andro iray ihany no hanaovana an\u2019izany, dia ny faha-13 amin\u2019ny volana faha-12, izany hoe ny volana Adara.",
"14": "Navoaka ho lal\u00e0na tany amin\u2019ny faritany rehetra \u00e0ry izay voasoratra tao amin\u2019ilay taratasy. Nolazaina tamin\u2019ny olona rehetra ilay izy, amin\u2019izay ny olona hiomana ho amin\u2019izany andro izany.",
"15": "Navoaka tao an-dapan\u2019i Sosana koa ilay lal\u00e0na. Dia lasa haingana ny mpitondra hafatra, noho ny baikon\u2019ny mpanjaka. Nipetraka nisotro divay i Hamana sy ny mpanjaka avy eo, fa nisahotaka kosa ny tao an-tan\u00e0nan\u2019i Sosana."
},
"4": {
"1": "Rehefa fantatr\u2019i Mordekay izany rehetra izany, dia norovitiny ny akanjony, dia nitafy lamba gony izy sady nihosin-davenona. Nankeo afovoan-tan\u00e0na izy avy eo, dia nitaraindraina mafy fa nalahelo be.",
"2": "Ary nankeny amin\u2019ny vavahadin\u2019ny mpanjaka izy, nefa nijanona hatreo ihany. Tsy nahazo niditra teo amin\u2019ny vavahadin\u2019ny mpanjaka mantsy izay olona nitafy gony.",
"3": "Nalahelo be daholo ny Jiosy, tany amin\u2019ny faritany rehetra nahazo an\u2019ilay didin\u2019ny mpanjaka sy ny lal\u00e0ny. Dia nifady hanina sy nitomany ary nidradradradra izy ireo. Be dia be koa no natory teo ambony gony sy lavenona.",
"4": "Dia nankao amin\u2019i Estera ny vehivavy mpanampy azy sy ny tandapany ka nitantara an\u2019izany taminy. Nalahelo be mihitsy \u00e0ry i Estera vadin\u2019ny mpanjaka, ka nampitondra akanjo hanaovan\u2019i Mordekay ho solon\u2019ilay lamba gony teny aminy. Tsy noraisin\u2019i Mordekay anefa izany.",
"5": "Dia nampanantsoin\u2019i Estera i Hat\u00e0ka tandapan\u2019ny mpanjaka, izay notendrena hikarakara an\u2019i Estera, ka nasainy nankany amin\u2019i Mordekay hahafantarany an\u2019izay nitranga.",
"6": "Dia lasa i Hat\u00e0ka nankany amin\u2019i Mordekay teo amin\u2019ny tany malalaky ny tan\u00e0na, teo alohan\u2019ny vavahadin\u2019ny mpanjaka.",
"7": "Dia notantarain\u2019i Mordekay taminy izay rehetra nanjo azy. Nolazainy koa hoe ohatrinona ny vola nampanantenain\u2019i Hamana fa harotsany ao amin\u2019ny tahirim-bolam-panjakana mba handripahana ny Jiosy.",
"8": "Ary nomeny an\u2019i Hat\u00e0ka ny dika mitovy amin\u2019ilay lal\u00e0na navoaka tao Sosana hoe haripaka ny Jiosy. Nasainy naseho an\u2019i Estera ilay izy sady nohazavaina taminy. Nasainy nilazana koa i Estera mba hankao amin\u2019ny mpanjaka, ka hitalaho famindram-po aminy ary mba izy mihitsy no hiangavy ho an\u2019ny fireneny.",
"9": "Ary niverina i Hat\u00e0ka dia nolazainy tamin\u2019i Estera ny tenin\u2019i Mordekay.",
"10": "Dia nasain\u2019i Estera nilaza tamin\u2019i Mordekay izy hoe:",
"11": "\u201cFantatry ny mpanompon\u2019ny mpanjaka sy ny olona rehetra any amin\u2019ny faritany manerana ny fanjakana hoe, raha misy lehilahy na vehivavy miditra eo amin\u2019ny tokotany anatiny mankao amin\u2019ny mpanjaka nefa tsy nantsoina, dia izao lal\u00e0na tokana izao no hampiharina aminy: Hovonoina ho faty izy. Raha tondroin\u2019ny mpanjaka amin\u2019ny tehiny volamena ihany izy vao tsy ho faty. Izaho anefa efa 30\u00a0andro izao no tsy nantsoina hankao amin\u2019ny mpanjaka.\u201d",
"12": "Rehefa nolazaina tamin\u2019i Mordekay ny tenin\u2019i Estera,",
"13": "dia izao no navaliny an\u2019i Estera: \u201cAza mieritreritra hoe mety tsy ho faty miaraka amin\u2019ny Jiosy rehetra ianao satria anisan\u2019ny ankohonan\u2019ny mpanjaka.",
"14": "Fa raha mangina tsy miteny ianao amin\u2019izao, dia olon-kafa no hamonjy sy hanafaka ny Jiosy. Ianao sy ny ankohonan\u2019ny rainao anefa ho faty. Sady iza moa no mahalala raha ho amin\u2019ny zavatra hoatr\u2019izao mihitsy no nahatonga anao ho lasa vadin\u2019ny mpanjaka?\u201d",
"15": "Dia izao no navalin\u2019i Estera an\u2019i Mordekay:",
"16": "\u201cMandehana \u00e0ry vorio ny Jiosy rehetra eto Sosana. Dia mifadia hanina noho ny amiko, ka aza mihinana na misotro mandritra ny telo andro, na andro na alina. Hifady hanina koa izaho sy ny vehivavy mpanampy ahy. Dia hankao amin\u2019ny mpanjaka aho, na dia tsy araka ny lal\u00e0na aza izany. Koa raha tsy maintsy ho faty aho, dia aleo ho faty.\u201d",
"17": "Dia lasa i Mordekay ka nanao an\u2019izay rehetra nasain\u2019i Estera nataony."
},
"5": {
"1": "Tamin\u2019ny andro fahatelo, dia nanao akanjom-boninahitra i Estera, ka nitsangana teo amin\u2019ny tokotany anatiny teo anoloan\u2019ny tranon\u2019ny mpanjaka. Tao an-tranony ny mpanjaka tamin\u2019 izay, sady nipetraka teo amin\u2019ny seza fiandrianany tandrifin\u2019ny fidirana.",
"2": "Dia faly ny mpanjaka raha vao nahita an\u2019i Estera vadin\u2019ny mpanjaka nitsangana teo amin\u2019ilay tokotany, ka notondroiny tamin\u2019ilay tehina volamena teny an-tanany izy. Dia nanatona i Estera ka nikasika ny tendron\u2019ilay tehina.",
"3": "Ary hoy ny mpanjaka taminy: \u201cMisy olana angaha, ry Estera vadin\u2019ny mpanjaka? Inona no tadiavinao? Fa na ny antsasaky ny fanjakako aza no angatahinao, dia homena anao.\u201d",
"4": "Dia hoy i Estera: \u201cNanao fanasana ho an\u2019ny mpanjaka aho androany, ka raha mba mety amin\u2019ny mpanjaka dia mba tongava any miaraka amin\u2019i Hamana.\u201d",
"5": "Dia hoy ny mpanjaka tamin\u2019ny mpanompony: \u201cTeneno i Hamana hoe tongava haingana, fa izay no fangatahan\u2019i Estera.\u201d Dia nankao amin\u2019ilay fanasana nataon\u2019i Estera ny mpanjaka sy Hamana.",
"6": "Ary hoy ny mpanjaka tamin\u2019i Estera, rehefa naroso ny divay: \u201cInona no angatahinao, fa homena anao izany? Ary inona no tadiavinao? Fa na ny antsasaky ny fanjakako aza no angatahinao, dia homena anao.\u201d",
"7": "Dia hoy i Estera: \u201cIzao no mba angatahiko sy tadiaviko:",
"8": "Raha mba mahazo sitraka amin\u2019ny mpanjaka aho, ka mety amin\u2019ny mpanjaka ny hanome an\u2019izay angatahiko sy tadiaviko, dia mba tongava ianao sy Hamana any amin\u2019ilay fanasana hataoko ho anareo rahampitso. Amin\u2019izay aho no hilaza ny fangatahako.\u201d",
"9": "Dia lasa i Hamana tamin\u2019iny andro iny, sady falifaly er\u1ef3. Vao nahita an\u2019i Mordekay teo am-bavahadin\u2019ny mpanjaka anefa izy, dia tezitra be taminy. Hitany mantsy hoe tsy nitsangana i Mordekay sady tsy natahotra azy.",
"10": "Nifehy tena anefa i Hamana ka nody tany an-tranony. Nampanantsoiny avy eo ny namany sy Zaresy vadiny.",
"11": "Dia nirehareha be i Hamana hoe nanan-karena be sy nanana zanaka be dia be, ary nomen\u2019ny mpanjaka toerana ambony kokoa sady nataony ambony noho ireo andriana sy mpanompon\u2019ny mpanjaka.",
"12": "Hoy koa i Hamana: \u201cAngaha izay ihany! Izaho irery no nasain\u2019i Estera vadin\u2019ny mpanjaka, mba hiaraka tamin\u2019ny mpanjaka tany amin\u2019ilay fanasana nataony. Dia mbola nasainy hiaraka aminy sy ny mpanjaka koa aza aho rahampitso.",
"13": "Tsy misy mahafa-po ahy anefa izany rehetra izany, raha mbola hitako mipetraka eo am-bavahadin\u2019ny mpanjaka i Mordekay, ilay Jiosy iny.\u201d",
"14": "Dia hoy i Zaresy vadiny sy ny namany rehetra: \u201cMampanaova tsato-kazo 50\u00a0hakiho. Dia rahampitso maraina ihany dia angataho amin\u2019ny mpanjaka mba hahantona eo i Mordekay. Mandehana miaraka amin\u2019ny mpanjaka avy eo, dia ankafizo ilay fanasana.\u201d Dia tian\u2019i Hamana ilay soso-kevitra, ka nampanao an\u2019ilay tsato-kazo izy."
},
"6": {
"1": "Ary tsy nahita tory ny mpanjaka tamin\u2019iny alina iny, ka nasainy nentina teo aminy ny boky mirakitra ny tantara tamin\u2019izany andro izany. Dia novakina tamin\u2019ny mpanjaka ilay izy.",
"2": "Hita tao ny tatitra nataon\u2019i Mordekay momba an\u2019i Bigtana sy Taresy, tandapan\u2019ny mpanjaka sady mpiandry varavarana, izay nanao tetika hamonoana an\u2019i Ahasoerosy Mpanjaka.",
"3": "Ary hoy ny mpanjaka: \u201cInona ny voninahitra sy valisoa efa mba nomena an\u2019i Mordekay tamin\u2019izany nataony izany?\u201d Dia hoy ny mpanompon\u2019ny mpanjaka: \u201cMbola tsy nisy na inona na inona nomena azy.\u201d",
"4": "Taorian\u2019izay dia hoy ny mpanjaka: \u201cIza no ao an-tokotany ao?\u201d Teo amin\u2019ny tokotany ivelan\u2019ny tranon\u2019ny mpanjaka i Hamana tamin\u2019izay. Saika hangataka tamin\u2019ny mpanjaka mantsy izy hoe hahantona eo amin\u2019ilay tsato-kazo efa nomaniny ho azy i Mordekay.",
"5": "Ary hoy ny mpanompon\u2019ny mpanjaka: \u201cI Hamana no mijoro ao an-tokotany ao.\u201d Dia hoy ny mpanjaka: \u201cAmpandrosoy izy.\u201d",
"6": "Rehefa niditra i Hamana, dia hoy ny mpanjaka taminy: \u201cInona no tokony hatao amin\u2019izay lehilahy tian\u2019ny mpanjaka homena voninahitra?\u201d Ary niteny anakampo i Hamana hoe: \u201cIza indray moa no tian\u2019ny mpanjaka homena voninahitra afa-tsy izaho?\u201d",
"7": "Dia hoy izy tamin\u2019ny mpanjaka: \u201cIzao no tokony hatao amin\u2019ny lehilahy tian\u2019ny mpanjaka homena voninahitra:",
"8": "Halaina ny akanjom-boninahitra fanaovan\u2019ny mpanjaka, sy ny soavaly fitaingenan\u2019ny mpanjaka, dia hasiana satroboninahitra ilay soavaly.",
"9": "Dia aleo ny andriana ambony iray eto amin\u2019ny fanjakana no hiandraikitra an\u2019ilay akanjo sy ilay soavaly. Hampanaovina an\u2019ilay akanjo avy eo ilay lehilahy tian\u2019ny mpanjaka homena voninahitra. Hampitaingenina an\u2019ilay soavaly izy ka hoentina eny amin\u2019ny tany malalaky ny tan\u00e0na. Ary tokony hisy hiantsoantso eo alohany hoe: \u2018Izao no atao amin\u2019ny lehilahy tian\u2019ny mpanjaka homena voninahitra!\u2019\u201d",
"10": "Tonga dia hoy ny mpanjaka tamin\u2019i Hamana: \u201cAlaivo haingana ilay akanjo sy ilay soavaly. Dia ataovy amin\u2019i Mordekay Jiosy, ilay mipetraka eo am-bavahadin\u2019ny mpanjaka, izany teninao izany ka aza atao misy latsaka na iray aza.\u201d",
"11": "Nalain\u2019i Hamana \u00e0ry ilay akanjo ka nampanaoviny an\u2019i Mordekay. Nalainy koa ilay soavaly ka nampitaingeniny an\u2019ilay izy i Mordekay, dia nentiny teny amin\u2019ny tany malalaky ny tan\u00e0na. Ary niantsoantso teo alohany izy hoe: \u201cIzao no atao amin\u2019ny lehilahy tian\u2019ny mpanjaka homena voninahitra!\u201d",
"12": "Niverina teo am-bavahadin\u2019ny mpanjaka i Mordekay taorian\u2019izay. I Hamana kosa nody haingana tany an-tranony, ary nalahelo be izy ka nosaronany ny lohany.",
"13": "Dia notantarain\u2019i Hamana tamin\u2019i Zaresy vadiny sy ny namany rehetra ny zava-drehetra nanjo azy. Dia hoy ny olon-kendriny sy Zaresy vadiny: \u201cJiosy i Mordekay, nefa efa nanomboka lavo teo anatrehany sahady ianao. Dia tsy haharesy azy ianao fa tsy maintsy ho vita hatreo ny aminao.\u201d",
"14": "Raha mbola niresaka izy ireo, dia tonga ny tandapan\u2019ny mpanjaka mba haka haingana an\u2019i Hamana ho any amin\u2019ilay fanasana nataon\u2019i Estera."
},
"7": {
"1": "Dia lasa ny mpanjaka sy Hamana nankao amin\u2019ilay fanasana nataon\u2019i Estera vadin\u2019ny mpanjaka.",
"2": "Hoy indray ny mpanjaka tamin\u2019i Estera tamin\u2019io andro faharoa io, rehefa naroso ny divay: \u201cInona no angatahinao, ry Estera vadin\u2019ny mpanjaka, fa homena anao izany? Ary inona no tadiavinao? Fa na ny antsasaky ny fanjakako aza no angatahinao, dia homena anao.\u201d",
"3": "Dia hoy i Estera vadin\u2019ny mpanjaka: \u201cRaha mahazo sitraka aminao aho, ry mpanjaka\u00a0\u00f4, ary raha mety amin\u2019ny mpanjaka, dia ny hitsimbinana ny aiko no angatahiko, ary ny hitsimbinana ny fireneko no tadiaviko.",
"4": "Fa namidy izahay, dia izaho sy ny fireneko, mba hovonoina sy haringana ary haripaka. Raha mba namidy ho mpanompolahy sy mpanompovavy fotsiny mantsy izahay, dia ho nangina ihany aho. Hisy vokany ratsy amin\u2019ny mpanjaka anefa izany loza izany, fa tsy hitondra soa ho azy.\u201d",
"5": "Ary hoy i Ahasoerosy Mpanjaka tamin\u2019i Estera vadin\u2019ny mpanjaka: \u201cIza ny olona sahy nanao an\u2019izany, ary aiza izany olona izany?\u201d",
"6": "Dia hoy i Estera: \u201cIo Hamana ratsy fanahy io no fahavalo sy mpanohitra anay!\u201d Dia nivarahontsana teo anatrehan\u2019ny mpanjaka sy ny vadiny i Hamana.",
"7": "Ary romotra be ny mpanjaka ka nitsangana niala teo amin\u2019ilay fanasana, dia nankany amin\u2019ny zaridainan\u2019ny lapa. I Hamana kosa nitsangana hitalaho tamin\u2019i Estera vadin\u2019ny mpanjaka mba hitsimbinana ny ainy. Fantany mantsy fa tsy maintsy hosazin\u2019ny mpanjaka izy.",
"8": "Dia niverina avy tany amin\u2019ny zaridainan\u2019ny lapa ny mpanjaka, ka nankao amin\u2019ny trano nisy an\u2019ilay fanasana. Ary hitany niankohoka teo ambonin\u2019ilay fandriana nisy an\u2019i Estera i Hamana. Dia hoy ny mpanjaka: \u201cDia mbola tadiavin\u2019io hovetavetaina ato an-tranoko koa angaha ny vadin\u2019ny mpanjaka?\u201d Raha vao tapitra ny tenin\u2019ny mpanjaka, dia nisy nanarona ny tarehin\u2019i Hamana.",
"9": "Ary hoy i Harbona, tandapan\u2019ny mpanjaka: \u201cI Hamana koa efa nanomana tsato-kazo hanantonana an\u2019i Mordekay, nefa i Mordekay no nanao tatitra nahavonjy ny mpanjaka. Ao akaikin\u2019ny tranon\u2019i Hamana ao ilay izy, ary 50\u00a0hakiho ny haavony.\u201d Dia hoy ny mpanjaka: \u201cAhantony eo amin\u2019izany i Hamana.\u201d",
"10": "Dia nahanton\u2019izy ireo teo amin\u2019ilay tsato-kazo nomaniny ho an\u2019i Mordekay i Hamana, ka tsy romotra intsony ny mpanjaka."
},
"8": {
"1": "Tamin\u2019iny andro iny, dia nomen\u2019i Ahasoerosy Mpanjaka an\u2019i Estera vadin\u2019ny mpanjaka ny tranon\u2019i Hamana, ilay fahavalon\u2019ny Jiosy. Nankeo anatrehan\u2019ny mpanjaka koa i Mordekay, satria efa nolazain\u2019i Estera hoe mpihavana izy ireo.",
"2": "Dia nesorin\u2019ny mpanjaka ny peratra fanombohan-kaseny izay efa nalainy teny amin\u2019i Hamana, ka nomeny an\u2019i Mordekay. Notendren\u2019i Estera hiandraikitra ny tao an-tranon\u2019i Hamana koa i Mordekay.",
"3": "Ary niresaka tamin\u2019ny mpanjaka indray i Estera, ka niankohoka teo an-tongony izy sady nitomany sy niangavy azy mba hanarina ny ratsy vitan\u2019i Hamana Agagita sy hanafoana an\u2019ilay teti-dratsiny handripahana ny Jiosy.",
"4": "Notondroin\u2019ny mpanjaka tamin\u2019ilay tehina volamena \u00e0ry i Estera ka nitsangana. Ary nijoro teo anatrehan\u2019ny mpanjaka izy,",
"5": "dia niteny hoe: \u201cRaha mety amin\u2019ny mpanjaka, ary raha hitan\u2019ny mpanjaka fa mety izao ka mahafinaritra ny mpanjaka aho, dia aleo mba hisy didy hosoratana hoe hofoanana izay nosoratan\u2019iny Hamana zanak\u2019i Hamedota Agagita iny, ilay nanao teti-dratsy handripahana ny Jiosy any amin\u2019ny faritany rehetra manerana ny fanjakana.",
"6": "Fa hataoko ahoana ny hijery fotsiny ny loza hanjo ny fireneko? Ary hataoko ahoana ny hijery fotsiny ny fandripahana ny havako?\u201d",
"7": "Dia hoy i Ahasoerosy Mpanjaka tamin\u2019i Estera vadin\u2019ny mpanjaka sy Mordekay Jiosy: \u201cEfa nomeko an\u2019i Estera ny tranon\u2019i Hamana, ary efa nasaiko nahantona teo amin\u2019ny tsato-kazo izy fa nitetika ny hamely ny Jiosy.",
"8": "Azonareo atao \u00e0ry ny manoratra an\u2019izay hitanareo fa mety mba hamonjena ny Jiosy. Ataovy amin\u2019ny anaran\u2019ny mpanjaka izany, ary tombohy amin\u2019ny peratra fanombohan-kasen\u2019ny mpanjaka. Tsy azo foanana mantsy izay efa nosoratana tamin\u2019ny anaran\u2019ny mpanjaka sy notombohina tamin\u2019ny peratra fanombohan-kaseny.\u201d",
"9": "Ary nampanantsoina tamin\u2019io andro io ny mpitan-tsoratry ny mpanjaka, tamin\u2019ny andro faha-23 amin\u2019ny volana fahatelo, izany hoe ny volana Siv\u00e0na. Dia nosoratan\u2019izy ireo ny zava-drehetra nandidian\u2019i Mordekay ny Jiosy sy ny lehibem-paritany sy ny governora ary ny andrianan\u2019ny faritany tany amin\u2019ireo faritany 127, hatrany India ka hatrany Etiopia. Nosoratana araka izay soratra fampiasan\u2019ny faritany tsirairay sy araka ny fitenin\u2019ny firenena tsirairay ilay izy, sady nosoratana ho an\u2019ny Jiosy araka izay soratra fampiasan\u2019izy ireo sy ny fiteniny.",
"10": "Dia nosoratan\u2019i Mordekay tamin\u2019ny anaran\u2019i Ahasoerosy Mpanjaka ilay taratasy, sady notombohiny tamin\u2019ny peratra fanombohan-kasen\u2019ny mpanjaka. Nampitondrainy an\u2019ireo mpitondra hafatra mitaingina soavaly ilay izy avy eo. Soavaly mahery mandeha sady natokana ho amin\u2019ny fanompoana ny mpanjaka no nitaingenan\u2019izy ireo.",
"11": "Voalaza tao amin\u2019ireny taratasy ireny fa navelan\u2019ny mpanjaka hifamory sy hiaro ny ainy ny Jiosy tany amin\u2019ny tan\u00e0na rehetra. Navelany koa izy ireo hamono sy handringana ary handripaka an\u2019izay tafiky ny firenena na faritany mety hanafika azy, anisan\u2019izany ny zaza amam-behivavy, dia avy eo haka ny fananan\u2019ireny.",
"12": "Tokony hatao andro iray ihany izany any amin\u2019ny faritany rehetra manerana ny fanjakan\u2019i Ahasoerosy Mpanjaka, dia ny faha-13 amin\u2019ny volana faha-12, izany hoe ny volana Adara.",
"13": "Tokony havoaka ho lal\u00e0na any amin\u2019ny faritany rehetra izay voasoratra ao amin\u2019ilay taratasy. Tokony holazaina any amin\u2019ny firenena rehetra koa ilay izy, mba ho vonona hamaly ny fahavalony ny Jiosy amin\u2019io andro io.",
"14": "Tonga dia lasa \u00e0ry ireo mpitondra hafatra mitaingina soavaly fampiasa amin\u2019ny fanompoana ny mpanjaka, ka nandeha haingana izy ireo noho ny baikon\u2019ny mpanjaka. Navoaka tao an-dapan\u2019i Sosana koa ilay lal\u00e0na.",
"15": "Ary niala teo anatrehan\u2019ny mpanjaka i Mordekay, nanao akanjom-boninahitra vita tamin\u2019ny lamba manga sy fotsy. Nanao satroboninahitra volamena lehibe koa izy, sady nanao akanjo ivelany tena tsara vita tamin\u2019ny volonondry volomparasy. Dia nihorakoraka sy faly be ny tao an-tan\u00e0nan\u2019i Sosana,",
"16": "satria avotra ny Jiosy. Dia nifaly sy niravoravo izy ireo ary nahazo voninahitra.",
"17": "Ary nifaly sy niravoravo ny Jiosy, tany amin\u2019ny faritany sy tan\u00e0na rehetra nahazo an\u2019ilay didin\u2019ny mpanjaka sy ny lal\u00e0ny. Nanao fanasambe sy nanao fety be izy ireo. Be dia be koa ny olona tao amin\u2019ilay tany no nilaza ny tenany hoe Jiosy, satria tena natahoran\u2019izy ireo ny Jiosy."
},
"9": {
"1": "Dia tonga ny andro faha-13 amin\u2019ny volana faha-12, izany hoe ny volana Adara. Tamin\u2019io andro io no tokony hanatanterahana ny tenin\u2019ny mpanjaka sy ny didiny. Tamin\u2019izay ny fahavalon\u2019ny Jiosy no nanantena hoe handresy azy, saingy nivadika ny rasa ka ny Jiosy indray no nandresy an\u2019izay nankahala azy.",
"2": "Dia nifamory tany amin\u2019ny tan\u00e0nany avy ny Jiosy, tany amin\u2019ireo faritany manerana ny fanjakan\u2019i Ahasoerosy Mpanjaka, mba hiady amin\u2019izay nitady hanisy ratsy azy. Ary tsy nisy nahajoro teo anatrehan\u2019ny Jiosy, satria tena natahoran\u2019ny olona rehetra izy ireo.",
"3": "Nanampy an\u2019ireo Jiosy daholo koa ny andrianan\u2019ny faritany, ny lehibem-paritany, ny governora, ary izay nikarakara ny raharahan\u2019ny mpanjaka, satria natahotra an\u2019i Mordekay izy ireo.",
"4": "Nitana toerana ambony tao an-dapan\u2019ny mpanjaka mantsy i Mordekay, ary niely eran\u2019ny faritany rehetra ny lazany satria lasa nisondrotra foana izy.",
"5": "Ary nasian\u2019ny Jiosy tamin\u2019ny sabatra ny fahavalony rehetra, ka novonoiny sy naringany. Dia nanao izay tiany tamin\u2019izay nankahala azy ny Jiosy.",
"6": "Namono sy nandripaka 500 lahy tao an-dapan\u2019i Sosana \u00e0ry ny Jiosy.",
"7": "Novonoin\u2019izy ireo koa i Parsandata, Dalfona, Aspata,",
"8": "Porata, Adalia, Aridata,",
"9": "Parmasta, Arisay, Ariday, ary Vaizata,",
"10": "dia izy folo lahy zanak\u2019i Hamana zanak\u2019i Hamedota, ilay fahavalon\u2019ny Jiosy. Tsy nandroba fananana anefa ny Jiosy, rehefa avy namono an\u2019ireny.",
"11": "Tamin\u2019iny andro iny ihany, dia nolazaina tamin\u2019ny mpanjaka ny isan\u2019ny maty tao an-dapan\u2019i Sosana.",
"12": "Ary hoy ny mpanjaka tamin\u2019i Estera vadin\u2019ny mpanjaka: \u201cNamono sy nandripaka 500 lahy teto an-dapan\u2019i Sosana ny Jiosy, ary maty koa ny zanak\u2019i Hamana folo lahy. Ary mba nanao ahoana ny tany amin\u2019ny faritany hafa manerana ny fanjakana? Inona amin\u2019izay no tianao hangatahina, fa homena anao izany? Sao dia mbola misy zavatra hafa tadiavinao, fa hotanterahina izany?\u201d",
"13": "Dia hoy i Estera: \u201cRahampitso, raha mba mety amin\u2019ny mpanjaka, dia aleo mbola havela hanao araka ny lal\u00e0na nampiharina androany ny Jiosy eto Sosana. Aleo koa hahantona eo amin\u2019ny tsato-kazo ny zanak\u2019i Hamana folo lahy.\u201d",
"14": "Dia nasain\u2019ny mpanjaka natao izany. Ary nisy lal\u00e0na navoaka tao Sosana, ka nahantona ny zanak\u2019i Hamana folo lahy.",
"15": "Dia nifamory indray ny Jiosy tao Sosana tamin\u2019ny andro faha-14 amin\u2019ny volana Adara, ka nahafaty 300 lahy tao. Tsy nandroba fananana anefa izy ireo.",
"16": "Nifamory sy niaro ny ainy koa ny Jiosy sisa tany amin\u2019ireo faritany manerana ny fanjakana. Dia naripak\u2019izy ireo ny fahavalony, ka nahafaty 75\u00a0000 tamin\u2019ireo nankahala azy izy ireo. Tsy nandroba fananana anefa izy ireo.",
"17": "Ny andro faha-13 amin\u2019ny volana Adara tamin\u2019izay. Nitsahatra anefa izy ireo tamin\u2019ny andro faha-14, ary nataony andro fety sy hifalifaliana io andro\u00a0io.",
"18": "Ny Jiosy tao Sosana kosa nifamory tamin\u2019ny andro faha-13 sy faha-14. Nitsahatra izy ireo tamin\u2019ny andro faha-15, ary nataony andro fety sy hifalifaliana io andro io.",
"19": "Izany no nahatonga ny Jiosy tany amin\u2019ireo tan\u00e0na ivelan\u2019ny renivohitra hanao ny andro faha-14 amin\u2019ny volana Adara ho andro fifaliana sy fanaovana fety ary fotoana ifanaterana sakafo.",
"20": "Dia nosoratan\u2019i Mordekay ireny zava-nitranga ireny. Ary nandefasany taratasy ny Jiosy rehetra tany amin\u2019ny faritany rehetra manerana ny fanjakan\u2019i Ahasoerosy Mpanjaka, na ny lavitra na ny akaiky.",
"21": "Nomeny toromarika izy ireo hoe tokony hankalaza isan-taona ny andro faha-14 sy faha-15 amin\u2019ny volana Adara.",
"22": "Tamin\u2019ireo andro ireo mantsy ny Jiosy no nafahana tamin\u2019ny fahavalony. Tamin\u2019io volana io koa ny alahelony no nivadika ho fifaliana, ary ny andro fahoriany lasa andro fanaovana fety. Tokony hankalaza an\u2019ireo andro ireo izy ireo ka hanao fety sy hifalifaly, sady hifanatitra sakafo sy hanao fanomezana ho an\u2019ny mahantra.",
"23": "Dia neken\u2019ny Jiosy hoe hataony isan-taona ilay fety, sady hataony koa izay nosoratan\u2019i Mordekay taminy.",
"24": "Efa nanao tetika handripahana ny Jiosy mantsy i Hamana zanak\u2019i Hamedota Agagita, ilay fahavalon\u2019ny Jiosy rehetra. Efa nampanao Pora\u2014na Antsapaka\u2014koa izy mba hahatonga azy ireo hisahotaka sy ho ripaka.",
"25": "Rehefa tonga teo anatrehan\u2019ny mpanjaka anefa i Estera, dia namoaka an\u2019izao didy natao an-tsoratra izao ny mpanjaka: \u201cHivaly amin\u2019i Hamana anie ilay tetika saika hamelezany ny Jiosy!\u201d Dia nahantona teo amin\u2019ny tsato-kazo izy sy ny zanany lahy.",
"26": "Izany no antony niantsoana an\u2019ireo andro ireo hoe Porima, izay avy amin\u2019ilay teny hoe Pora. Ary izay rehetra voasoratra tao amin\u2019ilay taratasy, sy izay hitan\u2019ireo Jiosy sy nanjo azy,",
"27": "no nahatonga azy ireo hanaiky hoe tsy maintsy hankalaza an\u2019ireo andro roa ireo foana izy ireo sy ny taranany ary izay rehetra miandany aminy, ary tsy maintsy hanatanteraka an\u2019izay voasoratra momba an\u2019ireo andro ireo, amin\u2019ny fotoana efa nifanarahana isan-taona.",
"28": "Tokony hotsarovana ireo andro ireo, ary tokony hankalazain\u2019ny taranaka mifandimby sy ny fianakaviana tsirairay sy ny faritany tsirairay ary ny tan\u00e0na tsirairay. Tokony hankalaza an\u2019ireo andro Porima ireo foana ny Jiosy, ary tokony hahatsiaro an\u2019ireo foana ny taranany. Tsy tokony hajanony mihitsy izany.",
"29": "Dia nampiasa ny fahefana feno nomena azy i Estera vadin\u2019ny mpanjaka, zanak\u2019i Abihaila, sy Mordekay Jiosy, ka nanoratra taratasy faharoa mba hanamafisana ny momba ny Porima.",
"30": "Dia nandefasany taratasy ny Jiosy rehetra tany amin\u2019ny faritany 127 manerana ny fanjakan\u2019i Ahasoerosy, ka zavatra mampihavana sady marina no nosoratany tao.",
"31": "Nohamafisina tao fa tokony hankalaza ny Porima amin\u2019ny fotoana efa nifanarahana ny Jiosy rehetra, araka ny tenin\u2019i Mordekay Jiosy sy Estera vadin\u2019ny mpanjaka tamin\u2019izy ireo. Efa nanaiky koa ny Jiosy hoe tsy maintsy hanao an\u2019izany izy sy ny taranany, sady hifady hanina sy hitalaho amin\u2019Andriamanitra.",
"32": "Dia nanamafy an\u2019ireo zava-drehetra momba ny Porima ireo ny baikon\u2019i Estera, ary nosoratana tao amin\u2019ny boky izany."
},
"10": {
"1": "Nasain\u2019i Ahasoerosy Mpanjaka nanao asa an-terivozona ny olona tao amin\u2019ilay tany sy tany amin\u2019ireo nosin-dranomasina.",
"2": "Tsy efa voasoratra ao amin\u2019ny boky misy ny tantara tamin\u2019ny andron\u2019ny mpanjakan\u2019i Media sy Persa daholo ve ny asa lehibe sy miavaka nataony? Tsy efa voasoratra ao koa ve ny tsipiriany rehetra tamin\u2019ny nanomezan\u2019ny mpanjaka voninahitra an\u2019i Mordekay?",
"3": "I Mordekay Jiosy mantsy no nanarakaraka an\u2019i Ahasoerosy Mpanjaka. Nanana toerana ambony teo amin\u2019ny Jiosy rahalahiny rehetra izy, ary nohajain\u2019izy ireo. Nanao soa ho an\u2019ny fireneny koa izy, sady nitady izay hahasoa ny taranak\u2019izy ireo rehetra."
},
"meta": {
"name": "Estera",
"order": 16,
"chapter_number": 10
}
}