UNPKG

mg-bibles

Version:

A package for accessing Bible verses in Malagasy (MG), Diem, King James (KJV), and Louis Segond (APEE) versions

275 lines 232 kB
{ "1": { "1": "Ary ireto avy ny anaran\u2019ny zanak\u2019i Israely tonga tany Ejipta niaraka tamin\u2019i Jakoba, dia ny lehilahy sy ny ankohonany avy:", "2": "Robena, Simeona, Levy, Joda,", "3": "Isakara, Zebolona, Benjamina,", "4": "Dana, Naftaly, Gada, ary Asera.", "5": "Nisy 70 ny olona rehetra naterak\u2019i Jakoba, fa i Josefa kosa efa tany Ejipta.", "6": "Tat\u1ef3 aoriana, dia maty i Josefa sy ny rahalahiny rehetra ary izany taranaka rehetra izany.", "7": "Ary nihamaro ny Israelita ka lasa be dia be. Nitombo ny isany ary nihanahery tsy nisy hoatr\u2019izany izy ireo, ka lasa feno azy ilay tany.", "8": "Tat\u1ef3 aoriana, dia nisy mpanjaka vaovao tany Ejipta, ary tsy nahalala an\u2019i Josefa izy io.", "9": "Hoy \u00e0ry izy tamin\u2019ny vahoakany: \u201cJereo fa be dia be sy mahery noho isika ny vahoakan\u2019Israely.", "10": "Andao hanaovantsika tetika ireo. Raha tsy izany mantsy, dia hihabetsaka ry zareo ary hanampy an\u2019ireo fahavalontsika raha sendra misy ady, ka hiady amintsika ary hiala eto amin\u2019ny tanintsika.\u201d", "11": "Koa nanendry lehiben\u2019ny mpanao asa an-terivozona izy ireo, satria tiany hoterena hiasa mafy ny vahoakan\u2019Israely, amin\u2019izay mijaly. Ary nanorina tan\u00e0na fitehirizana entana sy vokatra ho an\u2019i Farao ny vahoakan\u2019Israely, dia ny tan\u00e0nan\u2019i Pitoma sy Ramesesa.", "12": "Vao mainka nihamaro sy niely hatraiza hatraiza anefa ny Israelita, arakaraka ny nampijalian\u2019ny Ejipsianina azy. Koa natahoran\u2019ny Ejipsianina izy ireo sady nankahalainy.", "13": "Nandevozin\u2019ny Ejipsianina \u00e0ry ny Israelita, ka nataony nitondra faisana.", "14": "Nataony izay hampangidy ny fiainan\u2019izy ireo, ka notereny hiasa mafy hanao rihitra tanimanga sy biriky izy ireo, sady notereny hanao ny karazana asa an-terivozona rehetra tany an-tsaha. Nampanaoviny asa mafy izy ireo sady nampijaliny, ka notereny hanao an\u2019izao karazana asa an-terivozona rehetra izao.", "15": "Tat\u1ef3 aoriana, dia niresaka tamin\u2019ireo vehivavy hebreo mpampiteraka nantsoina hoe Sifra sy Poha ny mpanjakan\u2019i Ejipta.", "16": "Hoy izy tamin\u2019izy ireo: \u201cRehefa mampiteraka vehivavy hebreo ianareo, ka hitanareo eo amin\u2019ny akalana fiterahana hoe lahy ny zanany, dia vonoy ilay zaza. Fa raha vavy kosa ilay izy, dia avelao ho velona.\u201d", "17": "Natahotra an\u2019ilay tena Andriamanitra anefa ny mpampiteraka, ka tsy narahin\u2019izy ireo ny tenin\u2019ny mpanjakan\u2019i Ejipta fa navelany ho velona ny zazalahy.", "18": "Rehefa nandeha ny fotoana, dia nantsoin\u2019ny mpanjakan\u2019i Ejipta ireo mpampiteraka, ka noteneniny hoe: \u201cFa maninona no navelanareo ho velona ny zazalahy?\u201d", "19": "Dia namaly an\u2019i Farao ny mpampiteraka hoe: \u201cTsy hoatran\u2019ny vehivavy ejipsianina ange ny vehivavy hebreo\u00a0e! Matanjaka ry zareo, ka mbola tsy tonga akory ny mpampiteraka dia efa latsaka ny zanany.\u201d", "20": "Koa notahin\u2019Andriamanitra ireo mpampiteraka, ary ny vahoaka nihabetsaka sy tena nihanahery.", "21": "Natahotra an\u2019ilay tena Andriamanitra ireo mpampiteraka ireo, ka nomeny zanaka, tat\u1ef3 aoriana.", "22": "Tamin\u2019ny farany, dia nomen\u2019i Farao baiko ny vahoakany manontolo hoe: \u201cAtsipazo ao amin\u2019ny Reniranon\u2019i Neily daholo ny zazakely hebreo vao teraka raha lahikely, fa avelao ho velona kosa ny vavikely rehetra.\u201d" }, "2": { "1": "Tamin\u2019izany fotoana izany, dia nisy lehilahy iray avy amin\u2019ny ankohonan\u2019i Levy nanambady ny zanakavavin\u2019i Levy.", "2": "Dia bevohoka ilay vehivavy ka niteraka lahikely. Ary hitany fa tsara tarehy ilay zaza, ka nafeniny nandritra ny telo volana.", "3": "Rehefa tsy azony nafenina intsony ilay zaza, dia naka harona zozoro izy ary nopetahany godorao mivaingana sy godorao ranony ilay izy. Nataony tao anatin\u2019iny ilay zaza, dia napetrany teny amin\u2019ny bararata naniry teny amoron\u2019ny Reniranon\u2019i Neily.", "4": "Nijanona teny lavidavitra teny anefa ny anabavin\u2019ilay zaza, mba hahitana an\u2019izay hitranga aminy.", "5": "Nidina handro tao Neily ny zanakavavin\u2019i Farao, ary nandehandeha teny amoron-drano ireo vehivavy mpikarakara azy. Dia tazan\u2019ny zanakavavin\u2019i Farao ilay harona teny anelanelan\u2019ny bararata. Koa tonga dia nirahiny haka an\u2019ilay izy ny mpanompovaviny.", "6": "Nosokafany ilay harona, dia hitany ilay zazalahikely mitomany. Nangoraka azy izy, nefa koa niteny hoe: \u201cZanaka Hebreo ity.\u201d", "7": "Dia hoy ny anabavin\u2019ilay zaza tamin\u2019ny zanakavavin\u2019i Farao: \u201cHandeha hiantso vehivavy hebreo ve aho hampinono sy hitaiza azy ho anao?\u201d", "8": "Namaly ny zanakavavin\u2019i Farao hoe: \u201cMandehana \u00e0ry!\u201d Tonga dia lasa ilay ankizivavy niantso ny renin\u2019ilay zaza.", "9": "Ary hoy ny zanakavavin\u2019i Farao taminy: \u201cEnto any aminao ity zaza ity dia ampinonoy, fa homeko karama ianao.\u201d Nalain\u2019ilay vehivavy \u00e0ry ilay zaza ka nampinonoiny.", "10": "Rehefa lehibe ilay zaza, dia nentiny tany amin\u2019ny zanakavavin\u2019i Farao ka lasa zanak\u2019izy io. Nataon\u2019ny zanakavavin\u2019i Farao hoe Mosesy ny anarany, fa hoy izy: \u201cSatria teny amin\u2019ny rano izy no nalaiko.\u201d", "11": "Rehefa lasa olon-dehibe i Mosesy, dia nivoaka ho any amin\u2019ireo rahalahiny mba hijery ny asa mafy nasaina nataon\u2019izy ireo. Dia nahita Ejipsianina nikapoka Hebreo anankiray anisan\u2019ny rahalahiny izy.", "12": "Koa nitoditodika izy, ka rehefa hitany fa tsy nisy olona, dia novonoiny ho faty ilay Ejipsianina ary nasitriny tao anaty fasika.", "13": "Nivoaka indray izy ny ampitso, ary nahita Hebreo roa lahy niady. Hoy \u00e0ry izy tamin\u2019ilay diso: \u201cFa maninona no asianao ny namanao?\u201d", "14": "Dia namaly izy hoe: \u201cIza no nanendry an\u2019ialahy ho lehibenay sy mpitsara anay? Tadiavin\u2019ialahy hovonoina hoatran\u2019ilay Ejipsianina koa angaha aho?\u201d Dia natahotra i Mosesy ka nanao anakampo hoe: \u201cTena nisy nahafantatra ilay izy!\u201d", "15": "Tonga tany am-poto-tsofin\u2019i Farao izany, ka nitady hamono an\u2019i Mosesy izy. Nandositra azy anefa i Mosesy ka nandeha nipetraka tany Midianina. Rehefa tonga tany izy, dia nipetrapetraka teo akaikin\u2019ny lavadrano iray.", "16": "Ary nanan-janaka fito vavy ilay mpisorona tany Midianina. Tonga hantsaka izy ireo, ary hameno ny tavin-drano mba hisotroan\u2019ny andian\u2019ondrin\u2019ny rainy.", "17": "Tonga teo toy ny mahazatra anefa ny mpiandry ondry ka noroahiny izy ireo. Dia nitsangana i Mosesy, ka nanampy an\u2019ireo ankizivavy sy nampisotro rano ny andian\u2019ondriny.", "18": "Rehefa tonga tany an-trano tany amin\u2019i Regoela rainy izy ireo, dia hoy ny rainy: \u201cAry toa vetivety kely ianareo dia tafaverina androany?\u201d", "19": "Dia namaly izy ireo hoe: \u201cNisy Ejipsianina niaro anay tamin\u2019ny mpiandry ondry. Nanovo rano ho anay mihitsy aza izy sady nampisotro ny andian\u2019ondry.\u201d", "20": "Dia hoy izy tamin\u2019ireo zanany vavy: \u201cKa aiza izy? Fa maninona no navelanareo any izany olona izany? Antsoy izy hiara-misakafo amintsika.\u201d", "21": "Nanaiky hipetraka tao amin\u2019i Regoela i Mosesy, taorian\u2019izay. Ary nomeny ho vadiny i Zipora zanany vavy.", "22": "Dia niteraka zazalahy i Zipora tat\u1ef3 aoriana. Ary nataon\u2019i Mosesy hoe Gersoma ny anaran\u2019ilay zaza satria hoy izy: \u201cLasa mpivahiny at\u1ef3 an-tanin\u2019olona aho.\u201d", "23": "Taona maro tat\u1ef3 aoriana, dia maty ilay mpanjakan\u2019i Ejipta. Mbola nisento sy nitaraina ihany anefa ny Israelita satria nandevozina. Dia niantso vonjy foana tamin\u2019ilay tena Andriamanitra izy ireo noho izany.", "24": "Henon\u2019Andriamanitra ny fitarainan\u2019izy ireo, ka tadidiny ny fifanekena nataony tamin\u2019i Abrahama sy Isaka ary Jakoba.", "25": "Koa nijery an\u2019ireo Israelita Andriamanitra ka nahita ny fijalian\u2019izy ireo." }, "3": { "1": "Lasa mpiandry ny andian\u2019ondrin\u2019i Jetro rafozany, izay mpisorona tany Midianina, i Mosesy. Nitondra an\u2019ilay andian\u2019ondry ho any amin\u2019ny ilany andrefan\u2019ny tany efitra izy, ka tonga tany Horeba, tendrombohitr\u2019ilay tena Andriamanitra, tamin\u2019ny farany.", "2": "Ary nisy anjelin\u2019i Jehovah niseho taminy tao anaty lelafo, teo afovoan\u2019ny voarointsilo iray naniry. Raha mbola nijery an\u2019ilay voarointsilo i Mosesy, dia hitany fa nirehitra ilay izy nefa tsy nety levona.", "3": "Dia hoy izy: \u201cFa maninona \u00e0ry no tsy mety kilan\u2019ny afo io voarointsilo io? Mahagaga koa izany! Andeha hanatona eny aho handinika an\u2019io!\u201d", "4": "Rehefa hitan\u2019i Jehovah fa nanatona hijery an\u2019ilay voarointsilo i Mosesy, dia niantso azy avy teo amin\u2019ilay izy Andriamanitra ka niteny hoe: \u201cMosesy! Mosesy!\u201d Dia namaly izy hoe: \u201cInt\u1ef3 aho, tompoko!\u201d", "5": "Ary hoy Andriamanitra: \u201cAza manatona intsony! Esory ny kapanao, fa tany masina io ijoroanao io.\u201d", "6": "Hoy koa izy: \u201cIzaho no Andriamanitry ny razambenao, dia ilay Andriamanitr\u2019i Abrahama sy Andriamanitr\u2019i Isaka ary Andriamanitr\u2019i Jakoba.\u201d Dia notakonan\u2019i Mosesy ny tarehiny, satria natahotra hijery an\u2019ilay tena Andriamanitra izy.", "7": "Niteny koa i Jehovah hoe: \u201cEfa hitako tokoa ny fahorian\u2019ny vahoakako any Ejipta, ary efa henoko ny fitarainany noho ny ataon\u2019ireo manery azy hiasa. Fantatro tsara ny fijaliany.", "8": "Hidina aho hamonjy azy ireo eo an-tanan\u2019ny Ejipsianina. Dia hoentiko hiala amin\u2019izany tany izany izy ireo, mba hiakatra ho any amin\u2019ny tany tsara sady malalaka, dia tany tondra-dronono sy tantely, any amin\u2019ny faritra misy ny Kananita, sy ny Hetita, sy ny Amorita, sy ny Perizita, sy ny Hivita, ary ny Jebosita.", "9": "Efa tonga at\u1ef3 amiko ny fitarainan\u2019ny vahoakan\u2019Israely, ary hitako koa hoe tena mampijaly mafy azy ireo ny Ejipsianina.", "10": "Koa izao \u00e0ry: Hirahiko ho any amin\u2019i Farao ianao, dia hoentinao hiala any Ejipta ny Israelita vahoakako.\u201d", "11": "Hoy anefa i Mosesy tamin\u2019ilay tena Andriamanitra: \u201cFa izaho moa no iza no handeha hankany amin\u2019i Farao, ka hitondra ny Israelita hivoaka avy any Ejipta?\u201d", "12": "Dia hoy Andriamanitra: \u201cHanampy anao aho! Ary izao no famantarana hahalalanao fa izaho no naniraka anao: Hanompo an\u2019ilay tena Andriamanitra eto amin\u2019ity tendrombohitra ity ianareo, rehefa tafavoakanao avy any Ejipta ny vahoaka.\u201d", "13": "Hoy anefa i Mosesy tamin\u2019ilay tena Andriamanitra: \u201cAndeha hatao hoe mankany amin\u2019ny Israelita aho dia miteny hoe: \u2018Ilay Andriamanitry ny razambenareo no naniraka ahy ho at\u1ef3 aminareo.\u2019 Dia raha miteny amiko ry zareo hoe: \u2018Iza no anarany?\u2019, dia inona no holazaiko?\u201d", "14": "Hoy \u00e0ry Andriamanitra tamin\u2019i Mosesy: \u201cHataoko Izay Hahatonga Ahy ho Araka Izay Tiako.\u201d Hoy koa izy: \u201cIzao no holazainao amin\u2019ny Israelita: \u2018Ilay antsoina hoe \u201cHataoko Izay Hahatonga Ahy\u201d no naniraka ahy ho at\u1ef3 aminareo.\u2019\u201d", "15": "Dia niteny tamin\u2019i Mosesy indray Andriamanitra hoe: \u201cIzao no holazainao amin\u2019ny Israelita: \u2018Jehovah Andriamanitry ny razambenareo, ilay Andriamanitr\u2019i Abrahama sy Andriamanitr\u2019i Isaka ary Andriamanitr\u2019i Jakoba, no naniraka ahy ho at\u1ef3 aminareo.\u2019 Izany no anarako mandrakizay ary izany no hahatsiarovana ahy hatramin\u2019ny taranaka fara aman-dimby.", "16": "Koa mandehana vorio ny anti-panahin\u2019ny Israely, dia ilazao hoe: \u2018Niseho tamiko i Jehovah Andriamanitry ny razambenareo, ilay Andriamanitr\u2019i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, dia niteny hoe: \u201cTena mijery anareo aho ary mahita an\u2019izay manjo anareo at\u1ef3 Ejipta.", "17": "Koa izany no ilazako hoe hanafaka anareo amin\u2019ny fampahorian\u2019ny Ejipsianina aho, ka hitondra anareo any amin\u2019ny tanin\u2019ny Kananita, sy ny Hetita, sy ny Amorita, sy ny Perizita, sy ny Hivita, ary ny Jebosita, dia any amin\u2019ny tany tondra-dronono sy tantely.\u201d\u2019", "18": "\u201cHihaino ny teninao tokoa izy ireo. Ary hankany amin\u2019ny mpanjakan\u2019i Ejipta ianao sy ny anti-panahin\u2019ny Israely, dia hiteny aminy hoe: \u2018Niresaka taminay i Jehovah Andriamanitry ny Hebreo. Koa avelao izahay, azafady, handeha lalana telo andro mankany an-tany efitra, mba hahafahanay hanao sorona ho an\u2019i Jehovah Andriamanitray.\u2019", "19": "Fantatro tsara anefa fa tsy hamela anareo handeha ny mpanjakan\u2019i Ejipta, raha tsy hoe misy tanana matanjaka manery azy hanao an\u2019izany angaha.", "20": "Koa tsy maintsy hanatsotra ny tanako aho, ka hamely an\u2019i Ejipta. Ny zava-mahagaga rehetra hataoko ao aminy no hamelezako azy, dia handefa anareo izy aorian\u2019izay.", "21": "Ary hataoko mahazo sitraka amin\u2019ny Ejipsianina ny vahoakako, ka tsy handeha tanam-polo mihitsy ianareo rehefa miala any.", "22": "Hangataka zavatra vita amin\u2019ny volafotsy sy volamena ny vehivavy tsirairay, sady hangataka akanjo. Hangataka izany amin\u2019ny mpiray tan\u00e0na aminy sy amin\u2019ny vehivavy mipetraka ao an-tranony izy. Dia ampanaovy ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy izany, ary hataonareo fongana ny fananan\u2019ny Ejipsianina.\u201d" }, "4": { "1": "Fa hoy i Mosesy: \u201cAndeha anefa hatao hoe tsy mino ahy ry zareo sady tsy mihaino ny teniko, fa hilaza hoe: \u2018Tsy niseho taminao i Jehovah.\u2019\u201d", "2": "Dia hoy i Jehovah: \u201cInona iny eny an-tananao iny?\u201d Dia namaly izy hoe: \u201cTehina.\u201d", "3": "Ary hoy Andriamanitra: \u201cAtsipazo amin\u2019ny tany iny.\u201d Koa natsipin\u2019i Mosesy tamin\u2019ny tany ilay izy ka lasa bibilava. Dia nandositra an\u2019ilay bibilava izy.", "4": "Ary hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy: \u201cAtsory ny tananao ka raiso amin\u2019ny rambony io.\u201d Dia natsotrany ny tanany ary noraisiny ilay izy, ka lasa tehina teny an-tanany.", "5": "Ary hoy Andriamanitra: \u201cAtaovy izany mba hinoan\u2019izy ireo fa niseho taminao i Jehovah Andriamanitry ny razambeny, ilay Andriamanitr\u2019i Abrahama sy Andriamanitr\u2019i Isaka ary Andriamanitr\u2019i Jakoba.\u201d", "6": "Hoy indray i Jehovah taminy: \u201cMba atsofohy ao amin\u2019ilay miforitra eo amin\u2019ny tratran\u2019akanjonao hoe ny tananao, azafady!\u201d Dia natsofony tao ny tanany. Rehefa navoakany avy tao ny tanany, dia lasa boka ka fotsy be hoatran\u2019ny lanezy!", "7": "Hoy Andriamanitra avy eo: \u201cAtsofohy ao amin\u2019ilay miforitra eo amin\u2019ny tratran\u2019akanjonao indray ny tananao.\u201d Dia natsofony tao indray ny tanany, ary rehefa navoakany avy tao, dia lasa nitovy tamin\u2019ny vatany manontolo indray!", "8": "Ary hoy izy: \u201cRaha tsy mino anao ry zareo na tsy miraharaha an\u2019ilay famantarana voalohany, dia azo antoka hoe hampiaiky an-dry zareo ilay famantarana manaraka.", "9": "Fa raha mbola tsy hinoan-dry zareo ihany ireo famantarana roa ireo, ary tsy mety mihaino ny teninao ry zareo, dia mak\u00e0 rano ao amin\u2019ny Reniranon\u2019i Neily ka araraho eo amin\u2019ny tany maina. Ho lasa ra ilay rano nalainao tao Neily rehefa araraka eo amin\u2019ny tany maina.\u201d", "10": "Dia hoy i Mosesy tamin\u2019i Jehovah: \u201cTena miala tsiny aminao aho Jehovah\u00a0\u00f4, fa tsy mahay mandaha-teny aho, efa hatramin\u2019izay ka hatramin\u2019izao iresahanao amin\u2019ny mpanomponao izao. Miadam-piteny mantsy aho sady tsy mahay miresaka.\u201d", "11": "Dia niteny taminy i Jehovah hoe: \u201cIza moa no nanao ny vavan\u2019ny olombelona? Ary iza no mahatonga ny olona ho moana na ho marenina na hahita tsara na ho jamba? Tsy izaho Jehovah ve?", "12": "Koa mandehana amin\u2019izay fa hanampy anao aho rehefa miteny ianao, ary hatoroko anao izay tokony holazainao.\u201d", "13": "Hoy anefa i Mosesy: \u201cTena miala tsiny aminao aho, Jehovah\u00a0\u00f4! Mba izay olon-kafa tianao hirahina re irahina\u00a0e!\u201d", "14": "Dia tezitra be tamin\u2019i Mosesy i Jehovah, ka niteny hoe: \u201cIanao angaha moa tsy manana an\u2019i Arona Levita rahalahinao? Fantatro fa tena mahay miteny izy. Efa eny an-dalana hitsena anao izy izao, ary ho faly ny fony rehefa mahita anao.", "15": "Koa miresaha aminy ary lazao aminy ny teny rehetra tokony holazaina. Dia hampiako ianao sy izy rehefa miteny, ary hatoroko anareo izay tokony hataonareo.", "16": "Izy no hiteny amin\u2019ny vahoaka hisolo vava anao. Ho mpitondra teninao izy, ary ianao kosa ho toy ny hoe Andriamanitra eo anatrehany.", "17": "Ary ento iny tehina iny, dia iny anaovana an\u2019ireo famantarana.\u201d", "18": "Niverina tany amin\u2019i Jetro rafozandahiny \u00e0ry i Mosesy ka niteny hoe: \u201cMba te hiverina any amin\u2019ireo rahalahiko any Ejipta aho, hahitako raha mbola velona ihany izy ireo na tsia.\u201d Dia hoy i Jetro taminy: \u201cMandehana \u00e0ry, dia mirary soa ho anao aho!\u201d", "19": "Taorian\u2019izay, dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy tany Midianina: \u201cMandehana miverina any Ejipta, fa efa maty daholo ireo olona nitady hamono anao.\u201d", "20": "Dia nalain\u2019i Mosesy ny vadiny sy ireo zanany lahy ka nampitaingeniny ampondra, ary niverina tany Ejipta izy. Nentin\u2019i Mosesy teny an-tanany koa ny tehin\u2019ilay tena Andriamanitra.", "21": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy: \u201cNomeko hery hanaovana fahagagana ianao. Koa rehefa tafaverina any Ejipta ianao, dia tena ataovy eo anatrehan\u2019i Farao ireny fahagagana rehetra ireny. Fa izaho kosa hamela azy hiziriziry amin\u2019ny heviny, ka tsy halefany ny vahoaka.", "22": "Ary lazao amin\u2019i Farao hoe: \u2018Izao no lazain\u2019i Jehovah: \u201cZanako ny Israely, zanako lahimatoa.", "23": "Koa izao no teniko aminao: Alefaso ny zanako hanompo ahy. Fa raha mand\u00e0 tsy handefa azy ianao, dia hovonoiko ny zanakao, dia ny zanakao lahimatoa.\u201d\u2019\u201d", "24": "Rehefa teny an-dalana izy ireo, ka nijanona teo amin\u2019ny toeram-pilasiana, dia nitsena azy i Jehovah ka nitady hamono azy ho faty.", "25": "Koa naka vatoafo i Zipora, dia noforany ilay zanany. Ary nataony nikasika tamin\u2019ny tongotr\u2019izy io ilay hoditra nesoriny, sady hoy izy: \u201cVady azoko tamin\u2019ny ra ianao.\u201d", "26": "Koa navelan\u2019Andriamanitra handeha izy. Niteny i Zipora tamin\u2019izay hoe \u2018vady azo tamin\u2019ny ra\u2019, noho ny famorana.", "27": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Arona: \u201cMandehana any an-tany efitra ka tsenao i Mosesy.\u201d Nandeha \u00e0ry izy dia nihaona tamin\u2019i Mosesy teo amin\u2019ny tendrombohitr\u2019ilay tena Andriamanitra, ka niarahaba sady nanoroka azy.", "28": "Dia nolazain\u2019i Mosesy tamin\u2019i Arona ny teny rehetra nolazain\u2019i Jehovah, izay naniraka azy. Noteneniny taminy koa ny famantarana rehetra nasainy nataony.", "29": "Taorian\u2019izay, dia nandeha nampivory ny anti-panahy rehetra teo amin\u2019ny Israelita i Mosesy sy Arona.", "30": "Dia nolazain\u2019i Arona tamin\u2019izy ireo ny teny rehetra notenenin\u2019i Jehovah tamin\u2019i Mosesy, ary nataony teo imason\u2019ny vahoaka ireo famantarana.", "31": "Dia nino ny vahoaka. Ary rehefa henon\u2019izy ireo fa efa nitsinjo ny Israelita i Jehovah sady nahita ny fahoriany, dia niondrika sy niankohoka izy ireo." }, "5": { "1": "Nankao amin\u2019i Farao i Mosesy sy Arona taorian\u2019izay, ka niteny taminy hoe: \u201cIzao no lazain\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Israely: \u2018Alefaso ny vahoakako mba hankalaza fety ho ahy any an-tany efitra.\u2019\u201d", "2": "Hoy anefa i Farao: \u201cFa izany Jehovah izany moa no iza no tokony hankat\u00f2 ny teniny aho, dia handefa ny Israely? Tsy fantatro mihitsy izany Jehovah izany, sady tsy halefako koa ny Israely.\u201d", "3": "Fa hoy izy roa lahy: \u201cNiresaka taminay ny Andriamanitry ny Hebreo. Koa mba te handeha lalana telo andro mankany an-tany efitra re izahay\u00a0e, mba hanao sorona ho an\u2019i Jehovah Andriamanitray! Raha tsy izany mantsy, dia hamely anay amin\u2019ny aretina izy na amin\u2019ny sabatra.\u201d", "4": "Dia namaly azy ireo ny mpanjakan\u2019i Ejipta hoe: \u201cFa maninona ianareo, ry Mosesy sy Arona, no mandrebireby ny vahoaka? Izao ry zareo lasa tsy mahavita ny asany! Mandehana miverina miasa!\u201d", "5": "Hoy koa i Farao: \u201cJereo fa be dia be mihitsy ny olona miasa eto amin\u2019ity tany ity. Dia tadiavinareo hijanona tsy hiasa daholo ve izany ry zareo?\u201d", "6": "Ny androtr\u2019iny ihany, dia nomen\u2019i Farao baiko ireo mpanery olona hiasa sy ny mpanara-maso ny mpiasa hoe:", "7": "\u201cAza omena mololo hanaovana biriky intsony ny vahoaka, fa avelao ry zareo ihany no handeha hanangona ny mololony.", "8": "Izay isan\u2019ny biriky nasaina nenjehiny hatramin\u2019izay ihany anefa no asaivo ataony. Aza ahena ny isany, fa mitady hipetrapetraka fotsiny ry zareo. Izany no mahatonga an-dry zareo hitabataba hoe: \u2018Te handeha izahay! Te hanao sorona ho an\u2019ny Andriamanitray izahay!\u2019", "9": "Tereo hiasa mafy kokoa ry zareo, dia omeo asa hatao foana, amin\u2019izay ry zareo tsy hihaino an\u2019izao lainga rehetra izao.\u201d", "10": "Koa nivoaka ireo mpanery olona hiasa sy ny mpanara-maso ny mpiasa, dia niteny tamin\u2019ny vahoaka hoe: \u201cIzao no nolazain\u2019i Farao: \u2018Tsy omeko mololo intsony ianareo.", "11": "Mandehana maka mololo ho anareo any amin\u2019izay hahitanareo. Fa ny asanareo anefa tsy hahena mihitsy.\u2019\u201d", "12": "Dia niparitaka nanerana an\u2019i Ejipta ny vahoaka, mba hanangona vodivary hatao mololo.", "13": "Ary niteniteny azy ireo foana ny mpanery azy ireo hiasa hoe: \u201cTsy maintsy mamita ny asanareo daholo ianareo isan\u2019andro, hoatran\u2019ny tamin\u2019ianareo mbola nomena mololo ihany.\u201d", "14": "Nokapohina koa ireo Israelita mpanara-maso ny mpiasa, izay teo ambany fiandraiketan\u2019ireo mpanery olona hiasa notendren\u2019i Farao. Nanontaniana izy ireo hoe: \u201cFa maninona no tsy tratranareo ny isan\u2019ny biriky fanaonareo? Efa tsy tratra ilay izy omaly, dia mbola hoatr\u2019izany koa androany.\u201d", "15": "Dia nankao amin\u2019i Farao ireo Israelita mpanara-maso ny mpiasa, ka nitaraina hoe: \u201cFa maninona no dia ataonao hoatr\u2019izao ny mpanomponao?", "16": "Tsy omena mololo ny mpanomponao, nefa tenenina hoe: \u2018Manaova biriky!\u2019 Kapohina ny mpanomponao, nefa ny vahoakanao no diso.\u201d", "17": "Fa hoy i Farao: \u201cMipetrapetraka fotsiny ianareo! Mipetrapetraka fotsiny! Izany no mahatonga anareo hiteny hoe: \u2018Te handeha izahay! Te hanao sorona ho an\u2019i Jehovah izahay!\u2019", "18": "Mandehana amin\u2019izay miverina miasa! Tsy hisy mololo homena anareo eo, nefa tsy maintsy tratrarinareo ny isan\u2019ny biriky mila enjehinareo.\u201d", "19": "Ary hitan\u2019ireo Israelita mpanara-maso ny mpiasa fa nidiran-doza izy ireo noho ilay didy hoe: \u201cTsy azonareo ahena mihitsy ny isan\u2019ny biriky enjehinareo isan\u2019andro.\u201d", "20": "Rehefa nivoaka avy tao amin\u2019i Farao izy ireo, dia nihaona tamin\u2019i Mosesy sy Arona. Efa nijoro teo mantsy izy roa lahy mba hihaona tamin\u2019izy ireo.", "21": "Tonga dia nilaza tamin\u2019izy roa lahy izy ireo hoe: \u201cEnga anie i Jehovah hijery an\u2019izay nataonareo sy hitsara anareo! Fa efa nataonareo izay hankahalan\u2019i Farao sy ny mpanompony anay, ary nasianareo sabatra teny an-tanany hamonoany anay.\u201d", "22": "Dia nitodika tany amin\u2019i Jehovah i Mosesy ka niteny hoe: \u201cJehovah\u00a0\u00f4! Nahoana ianao no mampijaly an\u2019ity firenena ity? Fa maninona re ianao no naniraka ahy\u00a0e?", "23": "Nanomboka tamin\u2019ny fotoana nidirako teo anatrehan\u2019i Farao mba hiteny tamin\u2019ny anaranao, dia vao mainka nampitondra faisana an\u2019ity vahoaka ity izy. Tsy novonjenao akory anefa ny vahoakanao.\u201d" }, "6": { "1": "Dia niteny tamin\u2019i Mosesy i Jehovah hoe: \u201cAnkehitriny dia ho hitanao izay hataoko amin\u2019i Farao. Tanana matanjaka no hanery azy handefa azy ireo, ary tanana matanjaka koa no hanery azy handroaka azy ireo hiala ao amin\u2019ny taniny.\u201d", "2": "Ary hoy Andriamanitra tamin\u2019i Mosesy: \u201cIzaho no Jehovah.", "3": "Tamin\u2019izaho niseho tamin\u2019i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, dia nasehoko azy ireo hoe Andriamanitra Mahery Indrindra aho. Fa ilay anarako hoe Jehovah kosa mbola tsy nampahafantariko azy.", "4": "Nanao fifanekena tamin\u2019izy ireo koa aho hoe homeko azy ireo i Kanana, ilay tany nipetrahany tamin\u2019izy ireo nivahiny tany.", "5": "Izaho mihitsy izao no maheno ny fitarainan\u2019ny vahoakan\u2019Israely, izay andevozin\u2019ny Ejipsianina, ka tsaroako ilay fifanekena nataoko.", "6": "\u201cKoa lazao amin\u2019ny Israelita hoe: \u2018Izaho no Jehovah, ary hanafaka anareo amin\u2019ny enta-mavesatra ampitondrain\u2019ny Ejipsianina anareo aho. Hanafaka anareo amin\u2019ny fanandevozany aho. Hanavotra anareo amin\u2019ny sandriko mahery aho, ary hosaziko mafy ry zareo.", "7": "Ary halaiko ho vahoakako ianareo, ka ho Andriamanitrareo aho. Dia ho fantatrareo tokoa fa izaho no Jehovah Andriamanitrareo, izay hanafaka anareo amin\u2019ny enta-mavesatra ampitondrain\u2019ny Ejipsianina anareo.", "8": "Ary izaho hitondra anareo any amin\u2019ilay tany efa nanaovako fianianana hoe homena an\u2019i Abrahama sy Isaka ary Jakoba. Dia homeko ho fanananareo izany. Izaho no Jehovah.\u2019\u201d", "9": "Tat\u1ef3 aoriana, dia nolazain\u2019i Mosesy tamin\u2019ny Israelita izany teny izany. Tsy nihaino azy anefa izy ireo, satria kivy sady nijaly be noho ny fanandevozana.", "10": "Dia niteny tamin\u2019i Mosesy i Jehovah hoe:", "11": "\u201cMankanesa ao amin\u2019i Farao mpanjakan\u2019i Ejipta, dia lazao aminy hoe tokony halefany hiala ao amin\u2019ny taniny ny Israelita.\u201d", "12": "Hoy anefa i Mosesy tamin\u2019i Jehovah: \u201cNy Israelita aza ange tsy nihaino ahy\u00a0e! Koa ahoana moa no hihainoan\u2019i Farao ahy? Izaho aza sahirana rehefa miteny!\u201d", "13": "Mbola notenenin\u2019i Jehovah tamin\u2019i Mosesy sy Arona indray anefa hoe inona ireo didy tokony homena ny Israelita sy homena an\u2019i Farao mpanjakan\u2019i Ejipta, mba hamoahana ny Israelita avy ao Ejipta.", "14": "Ireto avy ny loham-pianakavian\u2019izy ireo: Ny zanakalahin\u2019i Robena, lahimatoan\u2019i Israely, dia i Hanoka, Palo, Hezrona, ary Karmy. Ireo no fianakavian\u2019i Robena.", "15": "Ny zanakalahin\u2019i Simeona dia i Jemoela, Jamina, Ohada, Jakina, Zohara, ary Saoly zanakalahin\u2019ny vehivavy kananita. Ireo no fianakavian\u2019i Simeona.", "16": "Ireto avy ny anaran\u2019ny zanakalahin\u2019i Levy, araka ny taranany avy: Gersona sy Kehata ary Merary. Ary 137\u00a0taona ny andro niainan\u2019i Levy.", "17": "Ny zanakalahin\u2019i Gersona dia i Libny sy Simey, araka ny fianakaviany avy.", "18": "Ny zanakalahin\u2019i Kehata dia i Amrama, Jizara, Hebrona, ary Oziela. Ary 133\u00a0taona ny andro niainan\u2019i Kehata.", "19": "Ny zanakalahin\u2019i Merary dia i Maly sy Mosy. Ireo no fianakavian\u2019ny Levita, araka ny taranany avy.", "20": "Ary nalain\u2019i Amrama ho vadiny i Jokebeda anabavin-drainy. Dia niteraka an\u2019i Arona sy Mosesy tamin\u2019i Amrama izy. Ary 137\u00a0taona ny andro niainan\u2019i Amrama.", "21": "Ny zanakalahin\u2019i Jizara dia i Kora sy Nafega ary Zikry.", "22": "Ny zanakalahin\u2019i Oziela dia i Misaela sy Elizafana ary Sitry.", "23": "Ary nalain\u2019i Arona ho vadiny i Eliseba, zanakavavin\u2019i Aminadaba sady anabavin\u2019i Nasona. Dia niteraka an\u2019i Nadaba, Abiho, Eleazara, ary Itamara tamin\u2019i Arona izy.", "24": "Ny zanakalahin\u2019i Kora dia i Asira sy Elkana ary Abiasafa. Ireo no fianakavian\u2019ny Korahita.", "25": "I Eleazara, zanakalahin\u2019i Arona, dia naka ny iray tamin\u2019ny zanakavavin\u2019i Potiela ho vadiny. Dia niteraka an\u2019i Finehasa tamin\u2019i Eleazara izy. Ireo no lohan\u2019ny fianakaviamben\u2019ny Levita, araka ny fianakaviany avy.", "26": "Ireo no Arona sy Mosesy, izay nilazan\u2019i Jehovah hoe: \u201cEnto mivoaka avy ao Ejipta ny vahoakan\u2019Israely, araka ny antokony avy.\u201d", "27": "Ireo Mosesy sy Arona ireo no niresaka tamin\u2019i Farao mpanjakan\u2019i Ejipta, mba hamoahana ny vahoakan\u2019Israely avy tao Ejipta.", "28": "Tamin\u2019ny andro niresahan\u2019i Jehovah tamin\u2019i Mosesy tany Ejipta,", "29": "dia niteny tamin\u2019i Mosesy i Jehovah hoe: \u201cIzaho no Jehovah. Lazao amin\u2019i Farao mpanjakan\u2019i Ejipta izay rehetra lazaiko aminao.\u201d", "30": "Dia hoy i Mosesy tamin\u2019i Jehovah: \u201cIzaho aza ange sahirana rehefa miteny e, koa ahoana moa no hihainoan\u2019i Farao ahy?\u201d" }, "7": { "1": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy: \u201cEfa nataoko hoatran\u2019ny hoe Andriamanitra ianao eo anatrehan\u2019i Farao, ary i Arona rahalahinao kosa ho mpaminaninao.", "2": "Ianao no hilaza amin\u2019i Arona rahalahinao ny didy rehetra homeko anao, ary i Arona no hiresaka amin\u2019i Farao, dia halefany hiala ao amin\u2019ny taniny ny Israelita.", "3": "Izaho kosa hamela an\u2019i Farao hiziriziry amin\u2019ny heviny, ka hampitomboiko ny isan\u2019ny famantarana sy fahagagana hataoko eto Ejipta.", "4": "Tsy hihaino anareo anefa i Farao, ka hamely an\u2019i Ejipta ny tanako. Hoentiko hivoaka avy eto Ejipta ny vahoakako maro be, dia ny Israelita, ka hosaziko mafy ny Ejipsianina.", "5": "Dia ho fantatry ny Ejipsianina tokoa fa izaho no Jehovah, rehefa hanatsotra ny tanako hamely an\u2019i Ejipta aho ary hitondra an\u2019ireo Israelita hiala eo amin\u2019izy ireo.\u201d", "6": "Dia nataon\u2019i Mosesy sy Arona izay nandidian\u2019i Jehovah azy ireo. Izany mihitsy no nataon\u2019izy ireo.", "7": "Ary 80\u00a0taona i Mosesy, fa i Arona kosa 83\u00a0taona, tamin\u2019izy ireo niresaka tamin\u2019i Farao.", "8": "Ary hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy sy Arona:", "9": "\u201cRaha milaza aminareo i Farao hoe: \u2018Manaova fahagagana!\u2019, dia teneno i Arona hoe: \u2018Raiso ny tehinao, ka atsipazo eo anoloan\u2019i Farao.\u2019 Dia ho lasa bibilava ngezabe ilay tehina.\u201d", "10": "Koa nankao amin\u2019i Farao i Mosesy sy Arona, ary narahin\u2019izy ireo an-tsakany sy an-davany izay nasain\u2019i Jehovah nataony. Natsipin\u2019i Arona teo anatrehan\u2019i Farao sy ny mpanompony ny tehiny, dia lasa bibilava ngezabe.", "11": "Nantsoin\u2019i Farao anefa ny olon-kendry sy ny mpilalao ody. Dia nanao hoatran\u2019izay nataon\u2019i Arona koa ny mpisorona mpanao sikidy tao Ejipta, izay nampiasa herin\u2019ny maizina.", "12": "Samy nanipy ny tehiny izy ireo, ary lasa bibilava ngezabe daholo ireny. Natelin\u2019ny tehin\u2019i Arona anefa ny tehin\u2019izy ireo.", "13": "Na izany aza, dia niziriziry tamin\u2019ny heviny i Farao ka tsy nihaino azy mirahalahy, araka ny efa nolazain\u2019i Jehovah.", "14": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy: \u201cMafy loha i Farao. Tsy mety mandefa ny vahoaka izy.", "15": "Koa mankanesa any amin\u2019i Farao rahampitso maraina, fa hivoaka hankeny amin\u2019ny Reniranon\u2019i Neily izy. Dia mijan\u00f2na eny amoron\u2019ilay renirano mba hihaona aminy. Ary ento eny an-tananao ilay tehina lasa bibilava.", "16": "Ary lazao aminy hoe: \u2018Efa naniraka ahy tat\u1ef3 aminao i Jehovah Andriamanitry ny Hebreo, ka niteny hoe: \u201cAvelao ny vahoakako handeha, mba ho afaka hanompo ahy any an-tany efitra.\u201d Tsy nankat\u00f2 anefa ianao hatramin\u2019izao.", "17": "Koa izao no lazain\u2019i Jehovah: \u201cIzao no hahafantaranao fa izaho no Jehovah: Hokapohiko amin\u2019ity tehina et\u1ef3 an-tanako ity ny rano ao amin\u2019ny Reniranon\u2019i Neily, ka ho lasa ra.", "18": "Dia ho faty ny trondro ao Neily, ka ho maimbo ilay renirano, ary tsy ho vitan\u2019ny Ejipsianina intsony ny hisotro amin\u2019ny rano ao.\u201d\u2019\u201d", "19": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy: \u201cTeneno i Arona hoe: \u2018Raiso ny tehinao ka atsory eo ambonin\u2019ny ranon\u2019i Ejipta, dia ny reniranony, sy ny lakandranony, sy ny honahona ao aminy, ary ny fitoeran-drano rehetra ao aminy, mba ho lasa ra ireny.\u2019 Dia ho feno ra eran\u2019i Ejipta, na dia any anaty fitoeran-drano vita amin\u2019ny hazo sy vato aza.\u201d", "20": "Tonga dia nataon\u2019i Mosesy sy Arona izay nandidian\u2019i Jehovah azy ireo. Ningainy ilay tehina, dia nokapohiny teo imason\u2019i Farao sy ny mpanompony ny rano tao amin\u2019ny Reniranon\u2019i Neily. Koa lasa ra ny rano rehetra tao amin\u2019ilay renirano.", "21": "Dia maty ny trondro tao amin\u2019ilay renirano ary maimbo ilay renirano, ka tsy afaka nisotro ny ranon\u2019i Neily ny Ejipsianina. Ary feno ra eran\u2019i Ejipta.", "22": "Nanao toy izany koa anefa ireo mpisorona mpanao sikidy tao Ejipta, izay nampiasa hery miafina. Koa mbola niziriziry tamin\u2019ny heviny ihany i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy, araka ny efa nolazain\u2019i Jehovah.", "23": "Dia lasa nody tany an-tranony i Farao, ary tsy nampihontsina azy akory izany.", "24": "Koa nandavaka teny amin\u2019ny manodidina an\u2019i Neily ny Ejipsianina rehetra mba hahazoana rano hosotroina. Tsy afaka nisotro ny ranon\u2019i Neily mantsy izy ireo.", "25": "Ary fito andro katroka ny ranon\u2019i Neily no novan\u2019i Jehovah ho\u00a0ra." }, "8": { "1": "Niteny tamin\u2019i Mosesy i Jehovah avy eo hoe: \u201cMandehana mankao amin\u2019i Farao, dia lazao aminy hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah: \u201cAvelao ny vahoakako handeha, mba ho afaka hanompo ahy.", "2": "Fa raha mbola tsy mety mandefa azy ihany ianao, dia hofenoiko sahona ny taninao rehetra.", "3": "Koa ho feno sahona be dia be ao amin\u2019ny Reniranon\u2019i Neily. Dia hiakatra ireny ka hiditra ao an-tranonao sy ao amin\u2019ny efitra fatorianao, hankeny am-pandriananao, hiditra any an-tranon\u2019ny mpanomponao, hankeny amin\u2019ny vahoakanao, ary ho ao anatin\u2019ny lafaoronao sy ny vilia famolavolanao koba.", "4": "Ho eny aminao sy ny vahoakanao ary ny mpanomponao rehetra ny sahona.\u201d\u2019\u201d", "5": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy, tat\u1ef3 aoriana: \u201cTeneno i Arona hoe: \u2018Atsory ilay tananao mitazona tehina, ka ataovy eo ambonin\u2019ny renirano sy ny lakandranon\u2019i Neily ary ny honahona. Dia ampiakaro ho eny amin\u2019ny tany Ejipta ny sahona.\u2019\u201d", "6": "Koa natsotran\u2019i Arona teo ambonin\u2019ny ranon\u2019i Ejipta ny tanany, ka nanomboka niakatra ny sahona ary nandrakotra an\u2019ilay tany.", "7": "Nanao hoatr\u2019izany koa anefa ny mpisorona mpanao sikidy, izay nampiasa hery miafina. Nampiakatra sahona hankeny amin\u2019ny tany Ejipta koa izy ireo.", "8": "Nantsoin\u2019i Farao \u00e0ry i Mosesy sy Arona ka noteneniny hoe: \u201cIangavio i Jehovah hanala ny sahona et\u1ef3 amiko sy eny amin\u2019ny vahoakako, fa vonona aho handefa ny vahoaka. Amin\u2019izay ry zareo afaka manao sorona ho an\u2019i Jehovah.\u201d", "9": "Dia hoy i Mosesy tamin\u2019i Farao: \u201cOmeko anao ny voninahitra hiteny amiko hoe rahoviana aho no hiangavy amin\u2019Andriamanitra mba hanesorana an\u2019ireny sahona ireny eny aminao sy ny mpanomponao sy ny vahoakanao ary ao an-tranonao. Dia ao amin\u2019ny Reniranon\u2019i Neily ihany sisa no hisy sahona.\u201d", "10": "Dia hoy i Farao: \u201cRahampitso.\u201d Ary hoy i Mosesy: \u201cHo tanteraka tokoa ny teninao, amin\u2019izay dia ho fantatrao hoe tsy misy mitovy amin\u2019i Jehovah Andriamanitray.", "11": "Hiala eny aminao sy ao an-tranonao ireny sahona ireny, ary hiala eny amin\u2019ny mpanomponao sy ny vahoakanao. Dia ao Neily ihany sisa no hisy.\u201d", "12": "Koa nivoaka avy tao amin\u2019i Farao i Mosesy sy Arona. Dia niangavy an\u2019i Jehovah i Mosesy mba hanala ny sahona nalefany tany amin\u2019i Farao.", "13": "Koa nataon\u2019i Jehovah izay nangatahin\u2019i Mosesy, ka maty tsikelikely ny sahona tany an-trano sy teny an-tokotany ary tany an-tsaha.", "14": "Ary nangonina ireny dia nivangongo teny rehetra teny, ka maimbo ilay tany.", "15": "Rehefa hitan\u2019i Farao fa efa afaka ilay loza, dia niziriziry tamin\u2019ny heviny izy. Tsy nety nihaino azy roa lahy izy, araka ny efa nolazain\u2019i Jehovah.", "16": "Hoy \u00e0ry i Jehovah tamin\u2019i Mosesy: \u201cTeneno i Arona hoe: \u2018Atsory ny tehinao ary kapohy ny vovoky ny tany, dia ho lasa moka eran\u2019i Ejipta.\u2019\u201d", "17": "Ary nataon\u2019izy ireo izany. Natsotran\u2019i Arona ilay tanany nitazona tehina ary nokapohiny ny vovoky ny tany. Dia lasa moka nanerana an\u2019i Ejipta ny vovoka rehetra tamin\u2019ny tany, ka nankeny amin\u2019ny olona sy ny biby.", "18": "Ary nampiasa hery miafina ny mpisorona mpanao sikidy ka nanandrana nampisy moka koa, saingy tsy nahavita. Dia nankeny amin\u2019ny olona sy ny biby ny moka.", "19": "Koa niteny tamin\u2019i Farao ireo mpisorona mpanao sikidy hoe: \u201cTena rantsantanan\u2019Andriamanitra ity!\u201d Mbola niziriziry tamin\u2019ny heviny foana anefa i Farao ka tsy nihaino azy roa lahy, araka ny efa nolazain\u2019i Jehovah.", "20": "Hoy i Jehovah avy eo tamin\u2019i Mosesy: \u201cMifohaza maraina, dia mankanesa eo anatrehan\u2019i Farao. Hivoaka hankeny amin\u2019ny rano izy, ka ilazao hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah: \u201cAvelao ny vahoakako handeha, mba ho afaka hanompo ahy.", "21": "Fa raha tsy alefanao ny vahoakako, dia handefasako fihitra ianao, sy ny mpanomponao, sy ny vahoakanao, ary ny ao an-tranonao. Ho feno fihitra ny trano eto Ejipta, ary na ny tany hijoroan\u2019izy ireo aza ho rakotra fihitra.", "22": "Ny any Gosena, ilay tany misy ny vahoakako, kosa tsy maintsy harovako amin\u2019io andro io. Tsy hisy fihitra any, ka izany no hahafantaranao fa izaho Jehovah dia eto amin\u2019ity tany ity.", "23": "Ary hataoko miavaka amin\u2019ny vahoakanao ny vahoakako. Rahampitso izany famantarana izany no hitranga.\u201d\u2019\u201d", "24": "Dia nataon\u2019i Jehovah izany, ka nisy andiana fihitra be dia be nirohotra nankao an-tranon\u2019i Farao sy tao an-tranon\u2019ny mpanompony ary eran\u2019i Ejipta. Koa nandravarava tao amin\u2019ilay tany ny fihitra.", "25": "Nantsoin\u2019i Farao i Mosesy sy Arona tamin\u2019ny farany, dia noteneniny hoe: \u201cMandehana manao sorona ho an\u2019ny Andriamanitrareo, saingy eto Ejipta ihany.\u201d", "26": "Hoy anefa i Mosesy: \u201cTsy mety izany, satria zavatra maharikoriko amin\u2019ny Ejipsianina no hataonay sorona ho an\u2019i Jehovah Andriamanitray. Tsy hotorahan\u2019ny Ejipsianina vato ve izahay raha zavatra maharikoriko azy no hataonay sorona, sady amin\u2019izay eo imasony mihitsy?", "27": "Handeha lalana telo andro hankany an-tany efitra izahay, ka any izahay no hanao sorona ho an\u2019i Jehovah Andriamanitray, araka izay nolazainy taminay.\u201d", "28": "Dia hoy i Farao: \u201cHalefako hanao sorona ho an\u2019i Jehovah Andriamanitrareo any an-tany efitra ianareo. Fa aza mandeha lavitra loatra fotsiny. Dia mba mivavaha ho ahy.\u201d", "29": "Dia hoy i Mosesy: \u201cHiala eto aminao aho izao, ary hitalaho amin\u2019i Jehovah. Koa hiala amin\u2019i Farao sy ny mpanompony ary ny vahoakany ny fihitra rahampitso. Tandremo anefa sao mamitaka anay indray i Farao, ka tsy hanaiky handefa ny vahoaka hanao sorona ho an\u2019i Jehovah akory.\u201d", "30": "Dia nivoaka avy tao amin\u2019i Farao i Mosesy, ary nitalaho tamin\u2019i Jehovah.", "31": "Koa nataon\u2019i Jehovah izay nolazain\u2019i Mosesy, ka niala tamin\u2019i Farao sy ny mpanompony ary ny vahoakany ny fihitra. Tsy nisy tavela na iray aza.", "32": "Mbola niziriziry tamin\u2019ny heviny indray anefa i Farao, ka tsy nalefany ny vahoaka." }, "9": { "1": "Hoy \u00e0ry i Jehovah tamin\u2019i Mosesy: \u201cMankanesa ao amin\u2019i Farao dia teneno izy hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Hebreo: \u201cAvelao ny vahoakako handeha, mba ho afaka hanompo ahy.", "2": "Fa raha mbola tsy mety mandefa azy ireo ihany ianao, ka mbola mitazona azy,", "3": "dia hamely ny biby fiompinao any an-tsaha ny tanan\u2019i Jehovah. Ho voan\u2019ny areti-mandringana ny soavaly sy ny ampondra sy ny rameva ary ny omby aman\u2019ondry.", "4": "Ary tena hataon\u2019i Jehovah miavaka amin\u2019ny biby fiompin\u2019i Ejipta ny biby fiompin\u2019ny Israely, ka tsy hisy ho faty izay an\u2019ny Israelita.\u201d\u2019\u201d", "5": "Nanondro fotoana koa i Jehovah, ka niteny hoe: \u201cRahampitso i Jehovah no hanao an\u2019izany eto Ejipta.\u201d", "6": "Ny ampitson\u2019iny ihany \u00e0ry dia nataon\u2019i Jehovah izany, ka maty daholo ny karazana biby fiompy tao Ejipta. Ny biby fiompin\u2019ny Israely kosa tsy nisy maty na iray aza.", "7": "Ary naniraka olona hanadihady an\u2019izany i Farao, ka fantany fa tsy nisy maty ny biby fiompin\u2019ny Israely na iray aza. Mbola mafy loha ihany anefa i Farao, ka tsy nandefa ny vahoaka.", "8": "Ary niteny tamin\u2019i Mosesy sy Arona i Jehovah hoe: \u201cFenoy molaly avy ao amin\u2019ny lafaoro fandoroana biriky daholo ny tananareo anankiroa, dia hatsipin\u2019i Mosesy eny amin\u2019ny rivotra, eo anatrehan\u2019i Farao, izany.", "9": "Dia ho lasa vovoka manify eran\u2019i Ejipta izany, ka ho lasa vay mamoro-nana eny amin\u2019ny olona sy ny biby eran\u2019i Ejipta.\u201d", "10": "Naka molaly tao amin\u2019ny lafaoro fandoroana biriky \u00e0ry izy roa lahy, ary nitsangana teo anatrehan\u2019i Farao. Dia natsipin\u2019i Mosesy teny amin\u2019ny rivotra ilay molaly, ka lasa vay mamoro-nana nipoipoitra teny amin\u2019ny olona sy ny biby.", "11": "Koa tsy nahajanona teo anatrehan\u2019i Mosesy ny mpisorona mpanao sikidy satria feno vay. Lasa nisy vay nipoipoitra mantsy tamin\u2019ireo mpisorona ireo sy tamin\u2019ny Ejipsianina rehetra.", "12": "Navelan\u2019i Jehovah hiziriziry tamin\u2019ny heviny anefa i Farao. Tsy nihaino azy roa lahy izy, araka ny efa nolazain\u2019i Jehovah tamin\u2019i Mosesy.", "13": "Nilaza tamin\u2019i Mosesy i Jehovah avy eo hoe: \u201cMifohaza maraina, dia mankanesa eo anatrehan\u2019i Farao. Teneno izy hoe: \u2018Izao no tenin\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Hebreo: \u201cAvelao ny vahoakako handeha, mba ho afaka hanompo ahy.", "14": "Fa alefako hamely anao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao ny loza rehetra. Amin\u2019izay fantatrao fa tsy misy mitovy amiko eran-tany.", "15": "Fa azoko natao ny nanatsotra ny tanako dia nasiako tamin\u2019ny areti-mandringana ianao sy ny vahoakanao, ka efa ripaka tsy nisy teto an-tany intsony ianao hoatr\u2019izay.", "16": "Izao anefa no tena antony mbola namelako anao ho velona: Mba hampisehoana aminao ny heriko sy mba hanambarana ny anarako eran-tany.", "17": "Mbola manambony tena ihany ve ianao, ka tsy mamela ny vahoakako handeha?", "18": "Hampilatsaka havandra be dia be aho rahampitso hoatrahoatr\u2019izao, dia havandra mbola tsy nisy hoatr\u2019izany hatramin\u2019ny andro nanorenana an\u2019i Ejipta ka hatramin\u2019izao.", "19": "Koa ilazao ny olona hoe ampidiro any an-trano ny biby fiompinareo rehetra sy ny fanananareo rehetra any an-tsaha. Fa izay olona na biby tavela any an-tsaha, fa tsy nampodiana any an-trano, dia ho faty rehefa hilatsahan\u2019ny havandra.\u201d\u2019\u201d", "20": "Koa izay mpanompon\u2019i Farao natahotra ny tenin\u2019i Jehovah, dia nampiditra haingana ny mpanompony sy ny biby fiompiny tany an-trano.", "21": "Fa izay tsy niraharaha ny tenin\u2019i Jehovah kosa, dia namela ny mpanompony sy ny biby fiompiny tany an-tsaha ihany.", "22": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy: \u201cAtsory manondro ny lanitra ny tananao mba hisy havandra hilatsaka eran\u2019i Ejipta, dia amin\u2019ny olona sy ny biby ary ny zavamaniry rehetra any an-tsaha manerana an\u2019i Ejipta.\u201d", "23": "Koa natsotran\u2019i Mosesy hanondro ny lanitra ny tehiny. Dia nandefa kotroka sy havandra i Jehovah, ary nisy afo nilatsaka tamin\u2019ny tany. Ary nampilatsaka havandra be dia be tany Ejipta i Jehovah.", "24": "Dia nilatsaka ny havandra, ary nisy afo nitselatselatra teny anelanelany. Tena be dia be mihitsy ilay havandra, ary mbola tsy nisy hoatr\u2019izany eran\u2019i Ejipta hatrizay naha firenena azy.", "25": "Nilatsahan\u2019ny havandra daholo ny zava-drehetra tany an-tsaha nanerana an\u2019i Ejipta, na ny olona na ny biby. Nosimban\u2019ilay izy koa ny zavamaniry rehetra, ary potika ny hazo rehetra tany an-tsaha.", "26": "Tany Gosena ihany, tany amin\u2019izay nisy ny Israelita, no tsy nisy havandra.", "27": "Nampanantsoin\u2019i Farao \u00e0ry i Mosesy sy Arona, ka hoy izy tamin\u2019izy ireo: \u201cNanota aho tamin\u2019ity indray mandeha ity. I Jehovah no marina, fa izaho sy ny vahoakako no diso.", "28": "Mba iangavio i Jehovah hampitsahatra ny kotroka sy ny havandra avy amin\u2019Andriamanitra. Dia halefako ianareo, ka tsy hijanona eto intsony.\u201d", "29": "Hoy \u00e0ry i Mosesy taminy: \u201cVao tafavoaka ny tan\u00e0na aho, dia hivavaka amin\u2019i Jehovah. Dia hitsahatra ny kotroka ary tsy hilatsaka intsony ny havandra. Amin\u2019izay dia ho fantatrao fa an\u2019i Jehovah ny tany.", "30": "Efa fantatro anefa fa na amin\u2019izay aza, dia mbola tsy hatahotra an\u2019i Jehovah Andriamanitra ihany ianao sy ny mpanomponao.\u201d", "31": "Dia potika ny rongony sy ny vary orza, satria efa teraka ny vary orza tamin\u2019izay ary efa namony ny rongony.", "32": "Fa tsy ripaka kosa ny varimbazaha sy ny vary spelta, satria tat\u1ef3 aoriana kokoa ireny vao vokatra.", "33": "Ary niala teo amin\u2019i Farao i Mosesy, dia nankany ivelan\u2019ny tan\u00e0na ka nivavaka tamin\u2019i Jehovah. Koa nijanona ny kotroka sy ny havandra, ary tsy nisy orana nilatsaka intsony tamin\u2019ny tany.", "34": "Rehefa hitan\u2019i Farao fa nitsahatra ny orana sy ny havandra ary ny kotroka, dia nanota indray izy ka niziriziry tamin\u2019ny heviny, dia izy sy ny mpanompony.", "35": "Ary mbola mafy loha ihany i Farao ka tsy nandefa ny Israelita, araka ny efa nolazain\u2019i Jehovah tamin\u2019ny alalan\u2019i Mosesy." }, "10": { "1": "Dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy: \u201cMankanesa ao amin\u2019i Farao. Navelako ho mafy loha mantsy izy sy ny mpanompony, mba hahafahako manao an\u2019ireo famantarana ireo eo anatrehany.", "2": "Ho afaka hitantara amin\u2019ny zanaka aman-jafinao koa ianao amin\u2019izay hoe tena nasiako mafy i Ejipta ary nanao famantarana teo aminy aho. Dia ho fantatrareo tokoa fa izaho no Jehovah.\u201d", "3": "Koa nankao amin\u2019i Farao i Mosesy sy Arona, ary niteny taminy hoe: \u201cIzao no tenin\u2019i Jehovah Andriamanitry ny Hebreo: \u2018Mandra-pahoviana ianao no tsy hety hanaiky ahy? Avelao ny vahoakako handeha, mba ho afaka hanompo ahy.", "4": "Fa raha mbola tsy mety mandefa ny vahoakako ihany ianao, dia handefa valala ao amin\u2019ny faritry ny taninao aho rahampitso.", "5": "Ary ho rakotra valala ny tany, ka tsy ho tazana intsony. Dia ho lanin\u2019ireny izay sisa tsy potiky ny havandra. Hohanin\u2019ireny koa ny hazo rehetra maniry any an-tsaha.", "6": "Ho feno valala ny tranonareo sy ny tranon\u2019ny mpanomponareo rehetra ary ny trano eran\u2019i Ejipta. Mbola tsy nahita valala be dia be hoatr\u2019izany mihitsy ny rainareo sy ny dadabenareo, hatramin\u2019izay niainany teto amin\u2019ity tany ity ka mandraka androany.\u2019\u201d Dia nihodina izy ka niala teo amin\u2019i Farao.", "7": "Ary niteny tamin\u2019i Farao ny mpanompony hoe: \u201cMandra-pahoviana iny lehilahy iny no handrahona antsika? Avelao handeha any ireo olona ireo, mba ho afaka hanompo an\u2019i Jehovah Andriamaniny. Tsy hitanao angaha fa efa potika i Ejipta?\u201d", "8": "Koa nasaina niverina tany amin\u2019i Farao indray i Mosesy sy Arona, dia hoy i Farao tamin\u2019izy roa lahy: \u201cMandehana manompo an\u2019i Jehovah Andriamanitrareo. Fa iza sy iza avy tokoa moa no handeha?\u201d", "9": "Dia hoy i Mosesy: \u201cHandeha daholo izahay, na ny tanora na ny antitra, na ny zanakay lahy na ny zanakay vavy, na ny ondrinay na ny ombinay. Fa hanao fety ho an\u2019i Jehovah izahay.\u201d", "10": "Dia hoy izy tamin\u2019izy roa lahy: \u201cIanareo ve dia mihevitra hoe hamela anareo sy ny zanakareo handeha aho? Raha sanatria mitranga izany, dia manampy anareo tokoa i Jehovah! Mikononkonona zava-dr