mg-bibles
Version:
A package for accessing Bible verses in Malagasy (MG), Diem, King James (KJV), and Louis Segond (APEE) versions
175 lines (174 loc) • 26.6 kB
JSON
{
"1": {
"1": "Avy amin\u2019i Paoly, apostolin\u2019i Kristy Jesosy noho ny sitrapon\u2019Andriamanitra. Ho an\u2019ny olona masina any Efesosy, izay tsy mivadika sady tafaray amin\u2019i Kristy Jesosy,",
"2": "Enga anie ilay Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo mba haneho hatsaram-panahy miavaka aminareo sady hanome fiadanana anareo!",
"3": "Hoderaina anie ilay Andriamanitra Rain\u2019i Jesosy Kristy Tompontsika! Fa omeny fitahiana ara-panahy be dia be any amin\u2019ny faritry ny lanitra isika, noho isika tafaray amin\u2019i Kristy.",
"4": "Nifidy antsika izy talohan\u2019ny nanorenana an\u2019izao tontolo izao, mba ho tafaray amin\u2019i Kristy isika, ka ho be\u00a0fitiavana sy masina ary tsy misy tsiny eo anatrehan\u2019Andriamanitra.",
"5": "Efa notendreny mialoha mantsy isika mba hatsangany ho zanany amin\u2019ny alalan\u2019i Jesosy Kristy, araka izay mahafinaritra azy sy araka ny sitrapony.",
"6": "Amin\u2019izay dia hidera azy ny olona noho izy be\u00a0voninahitra sy naneho hatsaram-panahy miavaka tamintsika, sady tsara fanahy rehefa naneho an\u2019izany tamin\u2019ny alalan\u2019ilay malalany.",
"7": "Io Zanany io no nampiasaina mba hanafahana antsika amin\u2019ny alalan\u2019ny vidim-panavotana, ka nahazoantsika famelan-keloka noho ny rany. Tena lehibe mantsy ny hatsaram-panahy miavaka asehon\u2019Andriamanitra.",
"8": "Be dia be izany hatsaram-panahy miavaka nasehony tamintsika izany, sady nomeny ny fahendrena sy ny fahiratan-tsaina rehetra koa isika,",
"9": "rehefa nampahafantariny antsika ilay zava-miafina masina momba ny sitrapony. Mahafinaritra azy izany zava-miafina izany, sady mifanaraka amin\u2019ilay fikasany,",
"10": "dia ny hoe hanisy fitantanan-draharaha rehefa tapitra tanteraka ny fotoana voatondro. Amin\u2019izay dia hangonina ho ao amin\u2019i Kristy daholo ny zava-drehetra, izany hoe ny zavatra any an-danitra sy ny zavatra eto an-tany.",
"11": "Tafaray aminy izahay sady nofidina mba ho mpiara-mandova aminy. Izahay mantsy efa notendrena mialoha araka ny fikasan\u2019Ilay manatanteraka ny zava-drehetra araka izay tiany sy mifanaraka amin\u2019ny sitrapony.",
"12": "Amin\u2019izay dia hanome voninahitra sy hidera an\u2019Andriamanitra izahay, fa izahay no voalohany nanantena an\u2019i Kristy.",
"13": "Nanantena azy koa anefa ianareo rehefa avy naheno ny tenin\u2019ny fahamarinana, dia ny vaovao tsara momba ny famonjena anareo. Ary rehefa nino ianareo, dia nasiana tombo-kase tamin\u2019ilay fanahy masina nampanantenaina, ka i Kristy no nampiasain\u2019Andriamanitra hanao an\u2019izany.",
"14": "Io fanahy masina io no antoka mialoha fa hahazo an\u2019ilay lova isika. Tian\u2019Andriamanitra hafahana amin\u2019ny alalan\u2019ny vidim-panavotana mantsy ny vahoakany, mba hoderaina sy homena voninahitra Izy.",
"15": "Noho izany, rehefa henoko hoe lasa mino an\u2019i Jesosy Tompo ianareo, sady maneho fitiavana amin\u2019ny olona masina rehetra,",
"16": "dia tsy mitsahatra misaotra an\u2019Andriamanitra aho noho ny aminareo. Mivavaka ho anareo foana koa aho",
"17": "mba hanome anareo ny fanahiny ilay Andriamanitr\u2019i Jesosy Kristy Tompontsika, ilay Rain\u2019ny voninahitra. Dia amin\u2019izay ianareo hanam-pahendrena sady hahazo ny dikan\u2019izay zavatra aharihariny, ka hahafantatra tsara azy.",
"18": "Nataony mahiratra ny mason\u2019ny fonareo, mba ho fantatrareo ilay fanantenana nomeny anareo tamin\u2019izy niantso anareo. Amin\u2019izay koa ho fantatrareo hoe be\u00a0voninahitra ilay harena tehiriziny ho lovan\u2019ny olona masina,",
"19": "ary faran\u2019izay lehibe ilay hery omeny antsika mpino. Hita hoe lehibe izany heriny izany rehefa ampiasainy.",
"20": "Io hery io no nananganany an\u2019i Kristy tamin\u2019ny maty sy nametrahany azy teo ankavanany any amin\u2019ny faritry ny lanitra.",
"21": "Nasandrany izy ka nataony ambony lavitra noho izay fanjakana sy fahefana sy hery sy fitondrana ary anarana rehetra, tsy eto amin\u2019izao tontolo izao ihany, fa any amin\u2019ilay ho avy koa.",
"22": "Nasainy nanaiky an\u2019i Kristy koa ny zava-drehetra ka nataony eo ambany tongony. Ary nataony lohan\u2019ny zavatra rehetra izy ao amin\u2019ny fiangonana,",
"23": "izany hoe ny vatany. Feno ny zava-drehetra momba azy ny fiangonana, ary izy no mameno ny zava-drehetra."
},
"2": {
"1": "Novelomin\u2019Andriamanitra koa ianareo, na dia maty noho ny helokareo sy ny fahotanareo aza.",
"2": "Hoatr\u2019izany ianareo taloha, satria nanao ny fanaon\u2019izao tontolo izao sady nanaraka an\u2019ilay mpitondra mifehy ny rivotra. Io rivotra io dia ny toe-tsaina manjaka amin\u2019izao ao amin\u2019ny zanaky ny tsy fankatoavana.",
"3": "Nitondra tena hoatr\u2019azy ireo isika rehetra taloha, ka nanome fahafaham-po ny fanirian\u2019ny nofontsika, satria izay tian\u2019ny nofontsika sy izay saim-pantatsika fotsiny no nataontsika. Ary efa zanaky ny fahatezerana hoatran\u2019ny olona rehetra isika hatramin\u2019ny vao teraka.",
"4": "Tena mamindra\u00a0fo anefa Andriamanitra, ary noho ny fitiavana lehibe nasehony tamintsika",
"5": "dia novelominy niaraka tamin\u2019i Kristy isika, na dia maty noho ny helotsika aza.\u2014Hatsaram-panahy miavaka no namonjena anareo.\u2014",
"6": "Niaraka novelominy sy nomeny toerana any amin\u2019ny faritry ny lanitra koa isika, satria nataony tafaray amin\u2019i Kristy Jesosy,",
"7": "mba hampisehoana hoe tsy misy fetra sady tena lehibe ny hatsaram-panahiny miavaka, ao amin\u2019ilay tontolo ho avy. Hampiseho an\u2019izany tokoa Izy amin\u2019izay ka hanao zavatra tsara ho antsika tafaray amin\u2019i Kristy Jesosy.",
"8": "Izany hatsaram-panahy miavaka izany no namonjena anareo, noho ny finoanareo. Fanomezan\u2019Andriamanitra anefa izany, fa tsy noho ny ezaka nataonareo.",
"9": "Tsy vokatry ny ezaka nataonareo mihitsy izany, sao dia lasa misy manana antony hireharehana.",
"10": "Asa tanan\u2019Andriamanitra mantsy isika sady noforonina hanao asa tsara, noho isika tafaray amin\u2019i Kristy Jesosy. Efa nomanin\u2019Andriamanitra mialoha hoe hataontsika izany asa izany.",
"11": "Tadidio \u00e0ry fa olon\u2019izao tontolo izao ianareo taloha,\u00a0hatramin\u2019ny vao teraka. Niantso anareo hoe \u201ctsy voafora\u201d ireo antsoina hoe \u201cvoafora\u201d, izay noforana teo amin\u2019ny nofo sady noforan\u2019ny tanan\u2019olona.",
"12": "Tsy nanana an\u2019i Kristy ianareo tamin\u2019izany fotoana izany, sady tsy nifandray tamin\u2019ny firenen\u2019Israely ary tsy tafiditra tamin\u2019ireo fifanekena momba ny fampanantenana. Tsy nanana fanantenana koa ianareo sady tsy nanana an\u2019Andriamanitra, teo amin\u2019izao tontolo izao.",
"13": "Lavitra an\u2019Andriamanitra ianareo taloha, nefa efa lasa akaiky azy izao, satria tafaray amin\u2019i Kristy Jesosy noho ny rany.",
"14": "Izy mantsy no nampihavana antsika. Izy ilay nampiray antsika roa tonta sy nandrava an\u2019ilay rindrina nanasaraka antsika.",
"15": "Ny nofony no nanafoanany an\u2019ilay nahatonga antsika roa tonta ho mpifahavalo, dia ny Lal\u00e0na misy didy maro. Tiany ho lasa olom-baovao iray ihany sy hihavana mantsy isika roa tonta, izay samy tafaray aminy.",
"16": "Tiany koa ny hampihavana tanteraka antsika amin\u2019Andriamanitra, amin\u2019ny alalan\u2019ny hazo fijaliana. Dia ho lasa vatana iray ihany isika, satria efa nofoanany tamin\u2019izy maty ilay zavatra nahatonga antsika ho mpifahavalo.",
"17": "Dia tonga izy ka nitory ny vaovao tsara momba ny fihavanana taminareo izay lavitra an\u2019Andriamanitra, sy tamin\u2019izay akaiky azy.",
"18": "Amin\u2019ny alalany mantsy no ahafahantsika roa tonta manatona ny Ray, satria fanahy iray ihany no azontsika rehetra.",
"19": "Tsy vahiny na hafa firenena intsony \u00e0ry ianareo, fa mpiray firenena amin\u2019ny olona masina sady anisan\u2019ny ankohonan\u2019Andriamanitra.",
"20": "Ary efa naorina teo ambony fototra, dia ny apostoly sy ny mpaminany, ianareo. I Kristy Jesosy kosa no vato fehizoro.",
"21": "Tafaray amin\u2019i Kristy ilay trano manontolo, ary tafakambana tsara daholo ny zavatra anamboarana azy. Dia mihamiakatra ilay trano, ka lasa tempoly masina ho an\u2019i Jehovah.",
"22": "Tafaray aminy koa ianareo, dia miaraka aorin\u2019Andriamanitra mba ho lasa toerana honenany amin\u2019ny alalan\u2019ny fanahiny."
},
"3": {
"1": "Noho izany, izaho Paoly, ilay migadra satria izaho an\u2019i Kristy Jesosy sady manampy anareo hafa firenena...",
"2": "Efa henonareo tokoa ilay andraikitra nankinina tamiko, dia ny hanampy anareo handray soa amin\u2019ny hatsaram-panahy miavaka asehon\u2019Andriamanitra.",
"3": "Nampahafantariny ahy sy naharihariny tamiko mantsy ilay zava-miafina masina, araka ilay efa nosoratako fohifohy taminareo.",
"4": "Rehefa mamaky an\u2019ity \u00e0ry ianareo, dia ho azonareo hoe haiko tsara ilay zava-miafina masina momba an\u2019i Kristy.",
"5": "Tsy nampahafantarina an\u2019io zava-miafina io ny taranaka tany aloha, nefa izao ilay izy naharihary tamin\u2019ny apostoliny masina sy ny mpaminaniny, tamin\u2019ny alalan\u2019ny fanahy masina.",
"6": "Izao ilay zava-miafina: Rehefa lasa tafaray amin\u2019i Kristy Jesosy sy nanaiky ny vaovao tsara ny hafa firenena, dia tokony ho mpiray lova aminay sy anisan\u2019ilay vatana iray ihany. Dia hahazo an\u2019ilay zavatra nampanantenain\u2019Andriamanitra anay koa izy ireo.",
"7": "Lasa mpanompo miandraikitra an\u2019izany \u00e0ry aho, noho ny hatsaram-panahy miavaka nasehon\u2019Andriamanitra tamiko, ary fanomezana maimaim-poana izany. Nanehoany an\u2019izany hatsaram-panahy izany aho tamin\u2019izy nampiseho ny heriny tamiko.",
"8": "Izaho izay mbola kely noho ny kely indrindra amin\u2019ny olona masina rehetra no nanehoana an\u2019izany hatsaram-panahy miavaka izany. Noho izany, dia afaka nitory tamin\u2019ny hafa firenena ny vaovao tsara momba ny harena tsy hita fetran\u2019i Kristy aho,",
"9": "sady nanampy ny olona rehetra hahita an\u2019izay ataon\u2019Andriamanitra momba an\u2019ilay zava-miafina masina. Efa hatramin\u2019ny ela be io zava-miafina io no nafenin\u2019ilay Andriamanitra namorona ny zava-drehetra.",
"10": "Nanao an\u2019izany Andriamanitra mba ho amin\u2019izao no ampahafantarana ny fahendreny, izay miseho amin\u2019ny fomba isan-karazany, amin\u2019ny fanjakana sy ny manam-pahefana any amin\u2019ny faritry ny lanitra, ary amin\u2019ny alalan\u2019ny fiangonana no ampahafantarana an\u2019izany.",
"11": "Izany dia mifanaraka amin\u2019ilay fikasany hatrizay hatrizay momba an\u2019i Kristy, dia i Jesosy Tompontsika.",
"12": "Izy no mahatonga antsika ho sahy miteny, sy ho afaka hanatona an\u2019Andriamanitra amin-toky noho isika mino azy.",
"13": "Miangavy anareo \u00e0ry aho mba tsy ho kivy satria hoe miaritra fahoriana aho noho izaho manampy anareo. Voninahitra ho anareo mantsy ireny.",
"14": "Noho izany, dia mandohalika eo anatrehan\u2019ny Ray aho.",
"15": "Izy mantsy no nampisy ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy eto an-tany ka nahazoan\u2019izy ireo anarana.",
"16": "Mivavaka aho mba hampiasa ny hery avy amin\u2019ny fanahiny Andriamanitra, mba hanatanjahana ny fonareo sy ny sainareo, satria tena manan-karena voninahitra izy.",
"17": "Mivavaka koa aho mba ho ao am-ponareo foana i Kristy, miaraka amin\u2019ny fitiavanareo, satria ianareo mino azy. Dia enga anie ianareo mba hamaka tsara sy hiorina mafy eo amin\u2019ny fototra!",
"18": "Amin\u2019izay dia ho azonareo tsara miaraka amin\u2019ny olona masina rehetra ny fahamarinana, izany hoe ny sakany sy halavany sy haavony ary halaliny,",
"19": "dia ho fantatrareo koa ny fitiavan\u2019i Kristy izay mbola mihoatra noho ny fahalalana, mba ho feno ny toetra rehetra avy amin\u2019Andriamanitra ianareo.",
"20": "Afaka manao mihoatra noho izay rehetra angatahintsika na eritreretintsika Andriamanitra, ary mihoatra lavitra noho izany aza, noho ilay heriny miasa ao anatintsika. Ho azy anie ny voninahitra,",
"21": "eny, ho azy anie ilay voninahitra amin\u2019ny alalan\u2019ny fiangonana sy amin\u2019ny alalan\u2019i Kristy Jesosy, hatrany amin\u2019ny taranaka rehetra mandrakizay mandrakizay! Amena."
},
"4": {
"1": "Miangavy anareo \u00e0ry aho, izaho ilay gadra noho ny amin\u2019ny Tompo, mba hitondra tena tsara ianareo ka ho mendrika an\u2019ilay fiantsoana anareo,",
"2": "izany hoe hanetry tena sy halemy fanahy foana, hanam-paharetana, hifandefitra noho ny fitiavana,",
"3": "ary hiezaka mafy ho tafaray foana sady hihavana, satria efa nampiraisin\u2019ny fanahy masina ianareo.",
"4": "Iray ny vatana, ary iray ny fanahy masina, hoatran\u2019ny niantsoana anareo ho amin\u2019ny fanantenana iray ihany.",
"5": "Iray ny Tompo, iray ny finoana, ary iray ny batisa.",
"6": "Iray ilay Andriamanitra sady Rain\u2019ny olona rehetra, ary manana fahefana amin\u2019izy rehetra. Mampiasa azy rehetra koa izy, ary miasa ao anatin\u2019izy rehetra.",
"7": "Nanehoana hatsaram-panahy miavaka isika tsirairay, arakaraka izay nomen\u2019i Kristy, ary maimaim-poana izany fanomezana izany.",
"8": "Fa voasoratra hoe: \u201cNitondra olona maro ho babo izy rehefa niakatra tany amin\u2019ny avo, ary lehilahy no nataony fanomezana.\u201d",
"9": "Fa inona no dikan\u2019ilay hoe \u2018niakatra izy\u2019? Midika izany hoe nidina tet\u1ef3 amin\u2019ny faritra ambany koa izy, izany hoe tet\u1ef3 an-tany.",
"10": "Ilay nidina ihany no niakatra any lavitra any, any ambonin\u2019ny lanitra rehetra, mba hahatonga ny zava-drehetra ho tanteraka.",
"11": "Ny sasany notendreny ho apostoly, ny sasany ho mpaminany, ny sasany ho mpitory ny vaovao tsara, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra,",
"12": "dia amin\u2019izay izy ireo ho afaka hanitsy ny olona masina, hanao fanompoana, ary hanatanjaka ny vatan\u2019i Kristy.",
"13": "Hanao an\u2019izany izy ireo mandra-pahatonga antsika rehetra hanana zavatra inoana mitovy, sy hanana fahalalana mitovy momba ny Zanak\u2019Andriamanitra. Amin\u2019izay isika ho lasa olon-dehibe, izany hoe ho lasa matotra tanteraka hoatran\u2019i Kristy.",
"14": "Tsy tokony ho zaza intsony \u00e0ry isika, ka hatopatopan\u2019ny onja sy havezivezin\u2019ny rivotr\u2019izao karazana fampianarana rehetra izao, izany hoe ho voataonan\u2019ny olona mamitaka sy fetsifetsy.",
"15": "Milaza ny marina kosa isika, dia andao hitombo amin\u2019ny lafiny rehetra noho ny fitiavana, ka hanahaka an\u2019i Kristy, ilay lohan\u2019ny vatana.",
"16": "Izy no mahatonga ny vatana manontolo ho tafakambana tsara sy hiara-miasa satria mifanampy ny tonon-taolana rehetra mba hanome izay ilaina. Rehefa miasa tsara ny rantsambatana tsirairay, dia mitombo ny vatana ka mihamatanjaka noho ny fitiavana.",
"17": "Izao \u00e0ry no lazaiko sady ampirisihako anareo eo anatrehan\u2019ny Tompo: Aza manao hoatran\u2019izao tontolo izao intsony, fa tsy misy dikany ny fisainan\u2019izy ireo.",
"18": "Maizin-tsaina izy ireo sady tsy hahazo an\u2019ilay fiainana ampanantenain\u2019Andriamanitra antsika, satria tsy mahalala an\u2019Andriamanitra izy ireo ary tsy mihontsina ny fony.",
"19": "Efa tsy mahalala menatra intsony izy ireo, ka manaram-po amin\u2019ny fitondran-tena tsy misy henatra sy manao an\u2019izao karazana fahalotoana rehetra izao, sady tsy mety afa-po fa mbola te hanao foana.",
"20": "Nianaranareo anefa hoe tsy mba hoatr\u2019izany i Kristy,",
"21": "raha naheno azy tokoa ianareo, tamin\u2019ianareo nampianarina mifanaraka amin\u2019ny fahamarinana nampianarin\u2019i Jesosy.",
"22": "Nampianarina ianareo hoe tokony hanala ny toetranareo taloha, izay mifanaraka amin\u2019ny fitondran-tenanareo taloha sady miharatsy foana noho ny fanirian-dratsy mamitaka.",
"23": "Tokony hanavao ny toe-tsainareo foana koa ianareo,",
"24": "ary tokony hitafy ny toetra vaovao izay noforonina mifanaraka amin\u2019ny sitrapon\u2019Andriamanitra, sady mifanaraka amin\u2019izay atao hoe tena marina sy tsy mivadika.",
"25": "Satria \u00e0ry efa narianareo ny lainga, dia samia milaza ny marina amin\u2019ny namanareo avy ianareo tsirairay, fa rantsambatana mifampiankina isika.",
"26": "Tezera fa aza manota. Aza avela ho tratran\u2019ny masoandro milentika ny fahatezeranareo,",
"27": "ary aza omena hirika ny Devoly.",
"28": "Aoka ny mpangalatra tsy hangalatra intsony, fa tokony hiasa mafy kosa izy, ka hampiasa ny tanany hanaovana asa tsara, mba hanan-javatra hozaraina amin\u2019izay sahirana.",
"29": "Aza avela hisy teny ratsy hivoaka amin\u2019ny vavanareo, fa izay tsara mba hampaherezana ihany, rehefa ilaina izany, mba hizarana zavatra mahasoa an\u2019izay mihaino.",
"30": "Aza manao izay hampalahelo ny fanahy masin\u2019Andriamanitra koa, fa nasiana tombo-kase tamin\u2019io fanahy io ianareo mba hafahana amin\u2019ny alalan\u2019ny vidim-panavotana rehefa tonga ilay andro fanafahana.",
"31": "Esory aminareo daholo rehefa mety ho lolompo, fahatezerana, fisafoahana, filelalelana, ary fanevatevana, sy ny toetra hafa rehetra mampalahelo ny hafa.",
"32": "Miezaha kosa ho tsara fanahy amin\u2019ny namanareo avy, ka hangoraka sy hifamela heloka tanteraka, toy ny namelan\u2019Andriamanitra tanteraka ny helokareo, tamin\u2019ny alalan\u2019i Kristy."
},
"5": {
"1": "Tahafo \u00e0ry Andriamanitra, satria zanany malalany ianareo.",
"2": "Dia miezaha foana haneho fitiavana, hoatran\u2019ny nitiavan\u2019i Kristy antsika sy nanolorany ny tenany mba hatao fanatitra sy sorona ho antsika, ho hanitra mamerovero ho an\u2019Andriamanitra.",
"3": "Aza avela hotononina eo aminareo akory izay resaka momba ny fijangajangana sy izay rehetra mety ho fahalotoana na faniriana tsy mety afa-po, fa tsy mety amin\u2019ny olona masina izany.",
"4": "Aza avela hotononina koa izay fitondran-tena mahamenatra na resaka adaladala na vazivazy vetaveta, satria samy tsy mendrika ireo. Aleo kosa misaotra an\u2019Andriamanitra.",
"5": "Fantatrareo mantsy, ary takatrareo tsara fa samy tsy manana lova ao amin\u2019ny Fanjakan\u2019i Kristy sy Andriamanitra, na ny mpijangajanga, na ny olona manaraka fanao maloto, na ny olona tsy mety afa-po, izany hoe mpanompo sampy.",
"6": "Aza avela hisy hamitaka anareo amin\u2019ny teny tsy misy dikany, satria ireo zavatra ireo no mahatonga an\u2019Andriamanitra ho tezitra amin\u2019ny zanaky ny tsy fankatoavana.",
"7": "Aza manao hoatr\u2019ireny \u00e0ry.",
"8": "Tao amin\u2019ny haizina mantsy ianareo teo aloha, fa efa ao amin\u2019ny mazava kosa izao, noho ianareo tafaray amin\u2019ny Tompo. Asehoy eo amin\u2019ny fiainanareo foana fa zanaky ny mazava ianareo.",
"9": "Ny vokatry ny mazava mantsy dia izay rehetra atao hoe hatsaran-toetra sy fanaovana ny marina ary fahamarinana.",
"10": "Fantaro tsara foana izay ankasitrahan\u2019ny Tompo,",
"11": "ary aza atao intsony ny zavatra tsy misy dikany fanaon\u2019ny olona ao amin\u2019ny maizina. Asehoy kosa hoe ratsy ireny zavatra ireny.",
"12": "Fa mahamenatra na dia ny manonona an\u2019izay ataon\u2019ireny olona ireny ao amin\u2019ny miafina aza.",
"13": "Asehon\u2019ny hazavana ny zava-drehetra abaribary, fa lasa mazava daholo ny zava-drehetra aseho.",
"14": "Voalaza \u00e0ry hoe: \u201cMifohaza ianao izay matory, ary mitsang\u00e0na amin\u2019ny maty, dia hanazava anao i Kristy.\u201d",
"15": "Koa mitandrema tsara foana amin\u2019izay ataonareo, mba ho hita hoe hendry ianareo fa tsy adala,",
"16": "ka ampiasao tsara ny fotoananareo, fa ratsy izao andro izao.",
"17": "Aza miadaladala intsony \u00e0ry, fa fantaro foana izay sitrapon\u2019i Jehovah.",
"18": "Ary aza mba mamon\u2019ny divay, fa mahatonga anareo hanao hadalana izany. Aoka kosa ianareo ho feno fanahy masina foana.",
"19": "Rehefa mifampiresaka koa ianareo, dia mifampahereza amin\u2019ny salamo sy fiderana an\u2019Andriamanitra ary hira masina, ary mihir\u00e0 amin\u2019ny fo ho an\u2019i Jehovah, miaraka amin\u2019ny mozika.",
"20": "Misaora foana koa an\u2019ilay Andriamanitra Raintsika noho ny zavatra rehetra, ary ataovy amin\u2019ny anaran\u2019i Jesosy Kristy Tompontsika izany.",
"21": "Samia manaiky ny namanareo avy ianareo, noho ianareo matahotra an\u2019i Kristy.",
"22": "Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, toy ny anekena ny Tompo,",
"23": "satria ny lehilahy no lohan\u2019ny vadiny, hoatran\u2019i Kristy izay lohan\u2019ny fiangonana, ary izy no mpamonjy an\u2019io vatana io.",
"24": "Hoatran\u2019ny aneken\u2019ny fiangonana an\u2019i Kristy no tokony haneken\u2019ny vehivavy ny vadiny amin\u2019ny zavatra rehetra.",
"25": "Ry\u00a0lehilahy, tiavo foana ny vadinareo, tahaka ny nitiavan\u2019i Kristy ny fiangonana sy ny nanolorany ny tenany hamonjy azy,",
"26": "mba hanamasinany azy, ka hanadiovany azy amin\u2019ny rano fandroana, izany hoe ny teny.",
"27": "Amin\u2019izay ny fiangonana dia ho tena tsara eo anatrehany, ka tsy hisy pentina na ketrona na zavatra hoatr\u2019izany, fa ho masina sy tsy misy tsiny.",
"28": "Hoatr\u2019izany koa fa tokony ho tia ny vadiny ny lehilahy, hoatran\u2019ny itiavany ny tenany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany.",
"29": "Tsy misy olona mankahala ny tenany mantsy, fa mamelona sy miahy azy kosa, hoatran\u2019ny ataon\u2019i Kristy amin\u2019ny fiangonana,",
"30": "satria anisan\u2019ny vatany isika.",
"31": "\u201cNoho izany, dia handao ny rainy sy ny reniny ny lehilahy ka hikambana amin\u2019ny vadiny, ary ho nofo iray ihany izy roa.\u201d",
"32": "Lehibe izany zava-miafina masina izany. Miresaka momba an\u2019i Kristy sy ny fiangonana aho.",
"33": "Na izany aza, dia tsy maintsy tia ny vadiny tahaka ny tenany ny lehilahy tsirairay, fa ny vehivavy indray tokony hanaja lalina ny vadiny."
},
"6": {
"1": "Ianareo zanaka, ankatoavy ny ray aman-dreninareo, araka izay sitrapon\u2019ny Tompo, fa izany no mety.",
"2": "\u201cHajao ny rainao sy ny reninao.\u201d Izany no didy voalohany misy an\u2019izao fampanantenana izao:",
"3": "\u201cAmin\u2019izay hahita soa sady ho ela velona eto ambonin\u2019ny tany ianao.\u201d",
"4": "Ary ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao foana araka izay anatra omen\u2019i Jehovah sy izay atorony izy.",
"5": "Ianareo mpanompo, ankatoavy amin\u2019ny fo ny tomponareo ka hajao sy atahory, hoatran\u2019ny ataonareo amin\u2019i Kristy.",
"6": "Tsy hoe rehefa misy manara-maso ihany ianareo vao tokony hanao an\u2019izany, hoatran\u2019ny hoe te hampifaly olona fotsiny, fa noho ianareo mpanompon\u2019i Kristy sady manao ny sitrapon\u2019Andriamanitra amin\u2019ny fo manontolo.",
"7": "Manompoa amin\u2019ny fo, toy ny hoe ho an\u2019i Jehovah, fa tsy ho an\u2019olona,",
"8": "satria fantatrareo fa hovalian\u2019i Jehovah soa izay zavatra tsara ataon\u2019ny olona tsirairay, na andevo izy na olona afaka.",
"9": "Ary ianareo tompo, ataovy hoatr\u2019izany foana koa ny mpanomponareo ka aza mandrahona azy. Fantatrareo mantsy fa any an-danitra ilay Tompon\u2019izy ireo sady Tomponareo, ary tsy mba mijery tavan\u2019olona izy.",
"10": "Farany, ataovy foana izay hahazoana hery avy amin\u2019ny Tompo satria tena mahery izy.",
"11": "Tafio daholo izay fiadiana omen\u2019Andriamanitra anareo, mba ho mafy orina ianareo ka ho vitanareo ny hanohitra ny teti-dratsin\u2019ny Devoly.",
"12": "Isika mantsy tsy miady amin\u2019ny nofo aman-dra, fa amin\u2019ny fanjakana sy manam-pahefana sy mpanjakan\u2019izao tontolo anaty haizina izao, ary amin\u2019ny fanahy ratsy eny amin\u2019ny faritry ny lanitra.",
"13": "Raiso daholo \u00e0ry izay fiadiana omen\u2019Andriamanitra, mba ho vitanareo ny hanohitra an\u2019izay fanafihana anareo amin\u2019ny andro anjakan\u2019ny faharatsiana. Dia ho mafy orina ianareo rehefa vitanareo izany rehetra izany.",
"14": "Koa miezaha ho mafy orina, ka ataovy fehikibo eo amin\u2019ny andilanareo ny fahamarinana, ary ataovy fiarovan-tratra ny fanaovana ny marina.",
"15": "Ary ataovy kiraro amin\u2019ny tongotrareo ny fahavononana hitory ny vaovao tsaran\u2019ny fihavanana.",
"16": "Ankoatra an\u2019ireo rehetra ireo, dia raiso ny ampinga lehibe, dia ny finoana, fa io no hahafahanareo hamono ny zana-tsip\u00ecka mirehitra rehetra alefan\u2019ilay ratsy.",
"17": "Anaovy koa ny fiarovan-doha, izany hoe ny famonjena, ary raiso ny sabatry ny fanahy, izany hoe ny tenin\u2019Andriamanitra.",
"18": "Ary mivavaha foana na amin\u2019ny fotoana inona na amin\u2019ny fotoana inona, sady araho ny fitarihan\u2019ny fanahy, ka manaova vavaka sy fitalahoana amin\u2019ny endriny rehetra. Miambena \u00e0ry sady manaova foana fitalahoana ho an\u2019ny olona masina rehetra.",
"19": "Mivavaha koa ho ahy mba hatoro ahy izay tokony hoteneniko rehefa miteny aho. Amin\u2019izay aho ho sahy hiteny rehefa mampahafantatra an\u2019ilay zava-miafina masina momba ny vaovao tsara.",
"20": "Fa izany vaovao tsara izany no mahatonga ahy ho ambasadaoro mifatotra rojo vy. Mivavaha koa ho ahy mba ho sahiko ny hiresaka momba an\u2019izany, araka izay tokony hoteneniko.",
"21": "Hampahafantatra anareo ny zava-drehetra i Tykiko, rahalahy malala sy mpanompo mendri-pitokisana ao amin\u2019ny Tompo, amin\u2019izay ho fantatrareo koa ny momba ahy sy izay ataoko.",
"22": "Izao no tena antony anirahako azy ho any aminareo: Mba ho fantatrareo hoe manao ahoana izahay, dia izy koa ho afaka hampionona ny fonareo.",
"23": "Enga anie ilay Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo hanome fiadanana an\u2019ireo rahalahy sy haneho fitiavana aminy ary hanome finoana azy!",
"24": "Enga anie hanehoana hatsaram-panahy miavaka daholo izay rehetra tena tia an\u2019i Jesosy Kristy Tompontsika!"
},
"meta": {
"name": "Efesianina",
"order": 48,
"chapter_number": 6
}
}