mg-bibles
Version:
A package for accessing Bible verses in Malagasy (MG), Diem, King James (KJV), and Louis Segond (APEE) versions
1,035 lines • 189 kB
JSON
{
"1": {
"1": "Ireto ny tenin\u2019i Mosesy tamin\u2019ny Israely rehetra tao amin\u2019ny faritr\u2019i Jordana, tany an-tany efitra, teny amin\u2019ny lemaka karakaina tandrifin\u2019i Sofa, anelanelan\u2019i Parana, Tofela, Labana, Hazerota, ary Dizahaba.",
"2": "Lalana 11\u00a0andro avy any Horeba ny mankany Kadesi-barnea, raha any an-tendrombohitra Seira no lalana.",
"3": "Tamin\u2019ny andro voalohan\u2019ny volana faha-11, tamin\u2019ny taona faha-40, dia nolazain\u2019i Mosesy tamin\u2019ny Israelita izay rehetra nasain\u2019i Jehovah nolazaina tamin\u2019izy ireo.",
"4": "Tamin\u2019izay i Mosesy efa avy nandresy an\u2019i Sihona mpanjakan\u2019ny Amorita, ilay nipetraka tany Hesbona, sy Oga mpanjakan\u2019i Basana, ilay nipetraka tany Astarota, tany Edrehy.",
"5": "Tao amin\u2019ny faritr\u2019i Jordana, any Moaba, i Mosesy no nanazava an\u2019izao Lal\u00e0na izao:",
"6": "\u201cHoy i Jehovah Andriamanitsika tamintsika tany Horeba: \u2018Efa ela ihany izay ianareo no nijanona teo amin\u2019io faritra be tendrombohitra io.",
"7": "Mandehana any amin\u2019ny faritra be tendrombohitra misy ny Amorita sy ny faritra rehetra manodidina, izany hoe Araba sy ny faritra be tendrombohitra, Sefela, Negeba, ary ny morontsiraka. Mandehana any amin\u2019ireo tanin\u2019ny Kananita ireo, hatrany Lib\u00e0na sy ilay renirano lehibe, dia ny reniranon\u2019i Eofrata.",
"8": "Efa nataoko io alohanareo io ilay tany. Midira ao dia alaivo ho anareo izy io. Io ilay tany nianianan\u2019i Jehovah tamin\u2019ny razambenareo, dia tamin\u2019i Abrahama sy Isaka ary Jakoba hoe homeny azy ireo sy ny taranany.\u2019",
"9": "\u201cHoy aho taminareo tamin\u2019izay: \u2018Tsy vitako irery ny mitondra anareo.",
"10": "Efa nataon\u2019i Jehovah Andriamanitrareo nihabetsaka ianareo, ka izao ianareo lasa be dia be hoatran\u2019ny kintana eny amin\u2019ny lanitra.",
"11": "Enga anie i Jehovah Andriamanitry ny razambenareo hampitombo ny isanareo ho avo arivo heny noho izao, ka hitahy anareo araka izay nampanantenainy anareo!",
"12": "Mavesatra sady mafy be amiko ny mitondra anareo sy mandamina ny adinareo, koa ahoana no hahavitako irery an\u2019izany?",
"13": "Mifidiana \u00e0ry lehilahy hendry sy malina ary za-draharaha eo amin\u2019ny fokonareo, mba hotendreko ho lehibenareo.\u2019",
"14": "Dia hoy ianareo tamiko: \u2018Tsara izany asainao ataonay izany.\u2019",
"15": "Koa nalaiko ireo lehiben\u2019ny fokonareo ireo, dia lehilahy hendry sy za-draharaha, ka notendreko ho lehibenareo, izany hoe lehiben\u2019ny arivo, lehiben\u2019ny zato, lehiben\u2019ny dimampolo, lehiben\u2019ny folo, ary mpifehy ny fokonareo.",
"16": "\u201cIzao no nampianariko ny mpitsaranareo tamin\u2019izay: \u2018Rehefa misy adin\u2019ny rahalahinareo entiny eo aminareo, dia tsarao araka ny rariny izay manana ady amin\u2019ny rahalahiny, na amin\u2019ny vahiny miara-monina aminy.",
"17": "Aza miangatra rehefa mitsara, fa henoy sahala amin\u2019ny lehibe ihany ny madinika. Aza matahotra olona, fa an\u2019Andriamanitra ny fitsarana. Raha misy raharaha sarotra loatra aminareo, dia ento at\u1ef3 amiko, fa izaho no hihaino an\u2019izany.\u2019",
"18": "Natoroko anareo daholo koa tamin\u2019izay ny zavatra rehetra tokony hataonareo.",
"19": "\u201cDia niala tany Horeba isika, araka ny didy nomen\u2019i Jehovah Andriamanitsika, ka nandeha namakivaky an\u2019ilay tany efitra lehibe sady mampahatahotra. Hitanareo io tany efitra io tamin\u2019isika teny an-dalana ho any amin\u2019ny faritra be tendrombohitra misy ny Amorita. Farany, dia tonga tao Kadesi-barnea isika.",
"20": "Dia hoy aho taminareo: \u2018Tonga eto amin\u2019ity faritra be tendrombohitra misy ny Amorita ity ianareo, ary homen\u2019i Jehovah Andriamanitsika antsika izy ity.",
"21": "Efa nomen\u2019i Jehovah Andriamanitrareo anareo ity tany ity. Koa miakara dia alaivo ho anareo izy io, araka ny tenin\u2019i Jehovah Andriamanitry ny razambenareo taminareo. Aza matahotra na mihorohoro.\u2019",
"22": "\u201cNanatona ahy daholo anefa ianareo, ka niteny hoe: \u2018Andao isika haniraka olona handeha mialoha antsika. Dia hasaintsika hijery taratra an\u2019ilay tany izy, ka hanao tatitra at\u1ef3 amintsika hoe aiza ny lalana tokony harahintsika ary tan\u00e0na hoatran\u2019ny ahoana no ho hitantsika.\u2019",
"23": "Dia hitako hoe tsara ilay hevitra, ka nifidy 12 lahy teo aminareo aho, izany hoe iray isaky ny foko.",
"24": "Koa lasa ry zareo niakatra ho any amin\u2019ilay faritra be tendrombohitra, ary tonga tany amin\u2019ny Lohasahan\u2019i Eskola, ka nitsikilo an\u2019ilay tany.",
"25": "Dia nakan-dry zareo ny vokatr\u2019ilay tany, ka nentiny tany amintsika. Ary nanao tatitra tamintsika ry zareo hoe: \u2018Tsara ilay tany homen\u2019i Jehovah Andriamanitsika antsika.\u2019",
"26": "Tsy nety niakatra anefa ianareo, fa nikomy tsy nanaraka ny baikon\u2019i Jehovah Andriamanitrareo.",
"27": "Dia nimenomenona foana ianareo tao an-tranolainareo, hoe: \u2018Halan\u2019i Jehovah isika matoa nentiny nivoaka avy tany Ejipta, mba hatolony ho eo am-pelatanan\u2019ny Amorita dia haringan\u2019izy ireo.",
"28": "Koa inona no mbola handehanantsika any amin\u2019izany toerana izany? Efa nampihorohoro ny fontsika mantsy ny rahalahintsika rehefa nilaza hoe: \u201cVaventy sy lava noho isika ry zareo. Lehibe koa ny tan\u00e0nany sady misy manda manakatra ny lanitra. Hitanay tany koa ny taranaky ny Anakita.\u201d\u2019",
"29": "\u201cDia hoy aho taminareo: \u2018Aza mihorohoro noho ny aminy na matahotra azy.",
"30": "Fa handeha eo alohanareo i Jehovah Andriamanitrareo ary hiady ho anareo, hoatran\u2019ny efa hitanareo nataony tany Ejipta.",
"31": "Hitanareo tany an-tany efitra koa fa tahaka ny fitondran\u2019ny olona an-janany no nitondran\u2019i Jehovah Andriamanitrareo anareo, na taiza na taiza nalehanareo mandra-pahatonganareo teto.\u2019",
"32": "Mbola tsy nino an\u2019i Jehovah Andriamanitrareo ihany anefa ianareo, na teo aza izany rehetra izany.",
"33": "Nandeha teo alohanareo anefa izy teny an-dalana, mba hitady toerana hitobianareo. Nasehony hoe teo aminareo izy, ka afo no nampiasainy rehefa alina ary rahona rehefa antoandro, amin\u2019izay dia hitanareo ny lalana tokony halehanareo.",
"34": "\u201cHenon\u2019i Jehovah daholo ny teninareo tamin\u2019izay, dia tezitra izy ka nianiana hoe:",
"35": "\u2018Tsy hisy amin\u2019ity taranaka ratsy fanahy ity na iray aza hahita an\u2019ilay tany tsara, izay nianianako homena ny razambenareo,",
"36": "afa-tsy i Kaleba zanak\u2019i Jefone. Hahita azy io izy ary homeko azy sy ny taranany ilay tany nandehanany, satria nanaraka an\u2019i Jehovah tamin\u2019ny fony manontolo izy.",
"37": "Tezitra tamiko mihitsy koa aza i Jehovah noho ny nataonareo, ka niteny hoe: \u201cIanao koa tsy hiditra any,",
"38": "fa i Josoa zanak\u2019i Nona, izay mitsangana eo anatrehanao, no hiditra any.\u2019 Ampaherezo izy, fa izy no hitarika ny Israely handova an\u2019ilay tany.\u201d",
"39": "Ary ny zanakareo izay nolazainareo hoe ho lasa babo, sy ny zanakareo izay mbola tsy mahalala ny tsara sy ny ratsy akory, dia ireo no hiditra any. Homeko an-dry zareo ilay tany, ka ho lasany.",
"40": "Fa ianareo kosa, miverena dia mankanesa any an-tany efitra, ka ilay lalana mankany amin\u2019ny Ranomasina Mena no araho.\u2019",
"41": "\u201cDia hoy ianareo tamiko: \u2018Efa nanota tamin\u2019i Jehovah izahay. Hiakatra hiady izao izahay, araka ny baiko nomen\u2019i Jehovah Andriamanitsika!\u2019 Dia samy nitondra ny fitaovam-piadianareo avy ianareo, ary nieritreritra hoe ho mora ny hiakatra an\u2019ilay tendrombohitra.",
"42": "Hoy anefa i Jehovah tamiko: \u2018Lazao amin\u2019izy ireo hoe: \u201cAza miakatra hiady fa tsy hanampy anareo aho. Raha miakatra any ianareo, dia ho resin\u2019ny fahavalonareo.\u201d\u2019",
"43": "Dia niteny taminareo aho nefa tsy nohenoinareo. Nikomy tsy nanaraka ny baikon\u2019i Jehovah kosa ianareo, dia sahisahy ratsy niakatra tany an-tendrombohitra ihany.",
"44": "Kanjo nivoaka hiady taminareo ny Amorita nipetraka tany amin\u2019ilay tendrombohitra, ka nanenjika anareo toy ny tantely, dia nanaparitaka anareo tany Seira ka hatrany Horma.",
"45": "Koa niverina ianareo ka nitomany teo anatrehan\u2019i Jehovah. Tsy nihaino anareo anefa i Jehovah sady tsy niraharaha anareo.",
"46": "Dia izany no nahatonga anareo hipetraka ela be tany Kadesy."
},
"2": {
"1": "\u201cDia nivily nankany an-tany efitra isika. Ny lalana mankany amin\u2019ny Ranomasina Mena no narahintsika, araka ny tenin\u2019i Jehovah tamiko. Ary nandeha teny amin\u2019ny manodidina ny Tendrombohitra Seira isika, nandritra ny andro maro.",
"2": "Dia hoy i Jehovah tamiko:",
"3": "\u2018Efa ela izay ianareo no nandeha nanodidina an\u2019io tendrombohitra io, ka mandehana mianavaratra.",
"4": "Ary lazao amin\u2019ny vahoaka ilay didy hoe: \u201cIzao ianareo dia handalo any akaikin\u2019ny sisin-tanin\u2019ny rahalahinareo, dia ny taranak\u2019i Esao, izay mipetraka any Seira. Hatahotra anareo izy ireo, nefa mitandrema tsara.",
"5": "Aza mila ady aminy, fa tsy hisy homeko anareo ny taniny na dia eram-paladia aza. Efa nomeko ho an\u2019i Esao mantsy ny Tendrombohitra Seira.",
"6": "Tokony haloanareo vola izay sakafo hohaninareo, ary tokony hovidinareo aminy koa ny rano hosotroinareo.",
"7": "Fa nitahy anareo i Jehovah Andriamanitrareo tamin\u2019izay rehetra nataonareo. Fantany tsara fa nandeha namakivaky an\u2019ity tany efitra lehibe ity ianareo. Nanampy anareo foana i Jehovah Andriamanitrareo nandritra an\u2019izay 40\u00a0taona izay, ka tsy ory na inona na inona ianareo.\u201d\u2019",
"8": "Nandalo teny akaikin\u2019ireo rahalahintsika \u00e0ry isika, izany hoe teny akaikin\u2019ny taranak\u2019i Esao, izay mipetraka any Seira, ary nanalavitra an\u2019ilay lalana mankany Araba sy Elata ary Eziona-gebera. \u201cDia nivily isika ka nandeha tamin\u2019ny lalana mankany an-tany efitr\u2019i Moaba.",
"9": "Hoy i Jehovah tamiko avy eo: \u2018Aza mila vaniny na miady amin\u2019ny Moabita, fa tsy hisy homeko ho anareo ny taniny. Efa nomeko ho an\u2019ny taranak\u2019i Lota mantsy i Ara.",
"10": "Ny Emima no nipetraka tany taloha. Natanjaka izy ireo sady be dia be, ary lava ranjanana hoatran\u2019ny Anakita.",
"11": "Ny Refaima koa hoatran\u2019ny Anakita, ka nantsoin\u2019ny Moabita hoe Emima.",
"12": "Ny Horita no nipetraka tany Seira taloha. Naka ny tanin\u2019izy ireo anefa ny taranak\u2019i Esao dia nandringana azy. Dia ny taranak\u2019i Esao indray no nipetraka tany, hoatran\u2019ny hataon\u2019ny Israely amin\u2019ilay tany homen\u2019i Jehovah ho azy ireo.",
"13": "Mandehana \u00e0ry miampita ny Lohasahan\u2019i Zareda.\u2019 Koa niampita an\u2019ilay lohasaha isika.",
"14": "Ary naharitra 38\u00a0taona ny diantsika avy tany Kadesi-barnea ka hatramin\u2019ny niampitantsika an\u2019ilay Lohasahan\u2019i Zareda. Nandeha teny foana isika mandra-paharipak\u2019ilay taranaka manontolo, dia ny lehilahy mpiady rehetra tao an-toby, araka izay efa nianianan\u2019i Jehovah taminy.",
"15": "Namely azy ireo ny tanan\u2019i Jehovah mba handringanana azy, mandra-paharipany.",
"16": "\u201cRehefa maty daholo ny lehilahy mpiady rehetra teo amin\u2019ny vahoaka,",
"17": "dia hoy indray i Jehovah tamiko:",
"18": "\u2018Izao ianao dia handalo ny faritr\u2019i Moaba, izany hoe Ara.",
"19": "Rehefa mandalo eny akaikin\u2019ny Amonita ianao, dia aza mila vaniny na mila ady aminy. Fa tsy hisy homeko ho anao ny taniny, satria efa nomeko ho an\u2019ny taranak\u2019i Lota izany.",
"20": "Noheverin\u2019ny olona hoe tanin\u2019ny Refaima koa izy io. Ny Refaima mantsy taloha no nipetraka tao, ary nantsoin\u2019ny Amonita hoe Zamzomita izy ireo.",
"21": "Natanjaka sady be dia be izy ireo, ary lava ranjanana hoatran\u2019ny Anakita. Naringan\u2019i Jehovah tsy ho eo anatrehan\u2019ny Amonita anefa ry zareo. Koa noroahin\u2019ny Amonita izy ireny, ary ny Amonita indray no nipetraka teo amin\u2019ny taniny.",
"22": "Izany no nataon\u2019Andriamanitra ho an\u2019ny taranak\u2019i Esao, izay mipetraka any Seira. Naringany tsy ho eo anatrehan\u2019izy ireo mantsy ny Horita, dia amin\u2019izay lasan\u2019izy ireo ny taniny ka izy ireo indray no mipetraka any hatramin\u2019izao.",
"23": "Ny Avita kosa nipetraka tao amin\u2019ny tan\u00e0na kely hatrany Gaza. Nandringana azy ireo anefa ny Kaftorima avy tany Kaftora, ka izy ireo indray no nipetraka tao amin\u2019ny tan\u00e0nany.",
"24": "\u201c\u2018Mitsang\u00e0na, dia mandehana miampita ny Lohasahan\u2019i Arnona. Efa hataoko resinao i Sihona Amorita mpanjakan\u2019i Hesbona. Dia alaivo ho anao ny taniny, ary miadia aminy.",
"25": "Ary manomboka izao dia hataoko mihorohoro sy matahotra anao ny olona rehetra eny ambanin\u2019ny lanitra, rehefa maheno ny momba anao. Dia hitebiteby sy hihorohoro izy ireo noho ny aminao.\u2019",
"26": "\u201cAry naniraka olona avy any an-tany efitr\u2019i Kedemota aho hankany amin\u2019i Sihona mpanjakan\u2019i Hesbona, mba hiteny aminy hoe mitady fihavanana isika, ka hilaza hoe:",
"27": "\u2018Mba avelao aho handalo ao amin\u2019ny taninao. Amin\u2019ny lalambe ihany aho no handeha fa tsy hivily hiankavanana na hiankavia.",
"28": "Izay sakafo hamidinao amiko ihany no hohaniko, ary izay rano hamidinao amiko ihany no hosotroiko. Fa avelao fotsiny aho handalo ao amin\u2019ny taninao.",
"29": "Ny taranak\u2019i Esao mipetraka any Seira sy ny Moabita any Ara koa mantsy namela ahy handalo tao amin\u2019ny taniny, mandra-piampitako ny Reniranon\u2019i Jordana mba ho any amin\u2019ilay tany homen\u2019 i Jehovah Andriamanitray anay.\u2019",
"30": "Tsy namela antsika handalo tao amin\u2019ny taniny anefa i Sihona mpanjakan\u2019i Hesbona. Navelan\u2019i Jehovah Andriamanitrareo hiziriziry amin\u2019ny heviny sy hanamafy ny fony mantsy izy, satria tiany ho resinao. Dia izany tokoa izao no mitranga.",
"31": "\u201cDia hoy i Jehovah tamiko: \u2018Efa nomeko anao i Sihona sy ny taniny. Koa alaivo ho anareo ny taniny.\u2019",
"32": "Rehefa nivoaka hiady tamintsika tao Jahaza i Sihona sy ny vahoakany manontolo,",
"33": "dia nataon\u2019i Jehovah Andriamanitsika resintsika ry zareo. Dia resintsika izy sy ny zanany ary ny vahoakany manontolo.",
"34": "Azontsika daholo ny tan\u00e0nany tamin\u2019izay fotoana izay, ka noravantsika tanteraka ny tan\u00e0na tsirairay, ary naringantsika ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy. Tsy nasiantsika niangana izy ireo na iray aza.",
"35": "Ny biby fiompy sy ny fananana ihany no nalaintsika ho babo tao amin\u2019ireo tan\u00e0na resintsika.",
"36": "Nanomboka tany Aroera, eo amin\u2019ny sisin\u2019ny Lohasahan\u2019i Arnona, sy ny tan\u00e0na eo amin\u2019ilay lohasaha, ka hatrany Gileada, dia tsy nisy tan\u00e0na tsy resintsika. Nataon\u2019i Jehovah Andriamanitsika resintsika daholo izy rehetra.",
"37": "Ianao anefa tsy nanakaiky ny tanin\u2019ny Amonita, dia ny sisiny rehetra amin\u2019ny Lohasahan\u2019i Jaboka, sy ireo tan\u00e0na ao amin\u2019ny faritra be tendrombohitra. Tsy nanakaiky an\u2019izay toerana nandraran\u2019i Jehovah Andriamanitsika antsika koa ianao."
},
"3": {
"1": "\u201cNivily lalana isika avy eo, ka niakatra nanaraka an\u2019ilay Lalan\u2019i Basana. Dia nivoaka hiady tamintsika tao Edrehy i Oga mpanjakan\u2019i Basana sy ny tafiny manontolo.",
"2": "Hoy \u00e0ry i Jehovah tamiko: \u2018Aza matahotra azy fa hataoko resinao izy sy ny tafiny manontolo ary homeko anao ny taniny. Hataonao hoatran\u2019i Sihona izy, dia ilay mpanjakan\u2019ny Amorita nipetraka tao Hesbona.\u2019",
"3": "Dia nataon\u2019i Jehovah Andriamanitsika resintsika koa i Oga mpanjakan\u2019i Basana sy ny tafiny manontolo. Dia nasiantsika ry zareo ka nataontsika tsy nisy niangana na iray aza.",
"4": "Nalaintsika ny tan\u00e0nany rehetra, ka azontsika daholo ireo tan\u00e0na 60 nanerana ny faritr\u2019i Argoba, tao amin\u2019ny fanjakan\u2019i Oga tany Basana.",
"5": "Tan\u00e0na voaro mafy misy manda avo sy vavahady misy bara hidiny daholo ireo, miaraka amin\u2019ny tan\u00e0na kely be dia be tany ambanivohitra.",
"6": "Naringantsika tanteraka anefa ireny, toy ny nataontsika tamin\u2019i Sihona mpanjakan\u2019i Hesbona. Noravantsika tanteraka mantsy ny tan\u00e0nany rehetra, ary naringantsika ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy.",
"7": "Nalaintsika daholo koa ny biby fiompy sy ny fananana tao amin\u2019ireo tan\u00e0na ireo.",
"8": "\u201cTamin\u2019izay dia nalaintsika ny tanin\u2019ireo mpanjakan\u2019ny Amorita anankiroa tany amin\u2019ny faritr\u2019i Jordana, nanomboka teo amin\u2019ny Lohasahan\u2019i Arnona ka hatrany amin\u2019ny Tendrombohitra Hermona.",
"9": "Io ilay tendrombohitra nantsoin\u2019ny Sidonianina hoe Siriona, fa nantsoin\u2019ny Amorita kosa hoe Senira.",
"10": "Nalaintsika daholo koa ny tan\u00e0na teny amin\u2019ny lembalemba sy nanerana an\u2019i Gileada sy Basana, hatrany Saleka sy Edrehy, izay tan\u00e0na tao amin\u2019ny fanjakan\u2019i Oga tany Basana.",
"11": "I Oga mpanjakan\u2019i Basana no sisa tavela tamin\u2019ny Refaima. Vita tamin\u2019ny vy ilay filanjana ny fatiny, ary mbola ao Raba tan\u00e0nan\u2019ny Amonita ilay izy. Sivy hakiho ny lavan\u2019izy io, ary efatra hakiho ny sakany, araka ny hakiho mahazatra.",
"12": "Tamin\u2019izay dia nalaintsika ho antsika ilay tany, manomboka eo Aroera, eo akaikin\u2019ny Lohasahan\u2019i Arnona, sy ny antsasaky ny faritra be tendrombohitr\u2019i Gileada. Nomeko ho an\u2019ny Robenita sy ny Gadita ny tan\u00e0na tany.",
"13": "Nomeko ho an\u2019ny antsasaky ny fokon\u2019i Manase kosa ny ambiny amin\u2019i Gileada sy ny faritr\u2019i Basana manontolo, izay anisan\u2019ny fanjakan\u2019i Oga. Tanin\u2019ny Refaima no nahafantarana ny faritr\u2019i Argoba manontolo, izay anisan\u2019i Basana.",
"14": "\u201cNalain\u2019i Jaira zanak\u2019i Manase ny faritr\u2019i Argoba manontolo hatrany amin\u2019ny sisin-tanin\u2019ny Gesorita sy ny Makatita. Ary nampitondrainy ny anarany ireny tan\u00e0na kely any Basana ireny, ka nantsoiny hoe Havota-jaira hatramin\u2019izao.",
"15": "Ary nomeko an\u2019i Makira i Gileada.",
"16": "Nomeko ho an\u2019ny Robenita sy ny Gadita kosa ny faritra manomboka eo Gileada ka hatreo amin\u2019ny Lohasahan\u2019i Arnona, ary eo afovoan\u2019ilay lohasaha ny sisin-tany. Nomeko azy ireo koa ilay faritra hatrany Jaboka, ilay lohasaha izay sisin-tanin\u2019ny Amonita.",
"17": "Ary nomeko azy ireo i Araba sy ny Reniranon\u2019i Jordana sy ny morony, manomboka any Kinereta ka hatrany amin\u2019ny Ranomasin\u2019i Araba, dia ny Ranomasin-tsira eo am-pototry ny havoanan\u2019i Pisga manandrify ny atsinanana.",
"18": "\u201cDia nanome an\u2019izao didy izao anareo aho: \u2018Efa nomen\u2019i Jehovah Andriamanitrareo anareo ity tany ity mba halainareo ho anareo. Handray ny fiadiany daholo ny lehilahy mahery fo eo aminareo, dia hiampita eo alohan\u2019ny Israelita rahalahinareo.",
"19": "Ny vadinareo sy ny zanakareo ary ny biby fiompinareo ihany no hijanona ao amin\u2019ireo tan\u00e0na nomeko anareo\u2014fantatro tsara fa maro be ny biby fiompinareo\u2014",
"20": "mandra-pahazon\u2019ny rahalahinareo an\u2019ilay tany homen\u2019i Jehovah Andriamanitrareo azy eny ampitan\u2019i Jordana. Hataon\u2019i Jehovah milamina ny fiainan\u2019izy ireo amin\u2019izay, hoatran\u2019ny nataony taminareo ihany. Aorian\u2019izay ianareo vao hiverina any amin\u2019ny tany efa nomeko anareo avy.\u2019",
"21": "\u201cNandidy an\u2019i Josoa aho tamin\u2019izay hoe: \u2018Efa hitan\u2019ny masonao izay rehetra nataon\u2019i Jehovah Andriamanitrareo tamin\u2019ireny mpanjaka roa ireny. Hataon\u2019i Jehovah hoatr\u2019izany koa izay fanjakana rehetra handalovanao.",
"22": "Aza matahotra an-dry zareo, fa i Jehovah Andriamanitrareo no miady ho anareo.\u2019",
"23": "\u201cDia nitalaho tamin\u2019i Jehovah aho tamin\u2019izay hoe:",
"24": "\u2018Ry Jehovah Tompo Fara Tampony\u00a0\u00f4! Efa nanomboka nasehonao tamin\u2019ny mpanomponao hoe tena miavaka ianao sady manana sandry mahery. Fa iza no andriamanitra mahavita an\u2019ireny asa lehibe vitanao ireny, na any an-danitra na et\u1ef3 an-tany?",
"25": "Mba avelao re aho hiampita dia hahita an\u2019ilay tany tsara er\u1ef3 ampitan\u2019i Jordana\u00a0e, ilay faritra be tendrombohitra sady tsara tarehy, dia avy eo koa i Lib\u00e0na!\u2019",
"26": "Mbola tezitra tamiko foana anefa i Jehovah noho ny nataonareo, ka tsy nety nihaino ahy. Fa hoy i Jehovah tamiko: \u2018Aoka izay! Aza miresaka amiko momba an\u2019izany intsony.",
"27": "Miakara eny an-tampon\u2019i Pisga, ary mijere miankandrefana sy mianavaratra ary mianatsimo sy miantsinanana, dia jereo ilay tany, satria tsy hiampita an\u2019io Jordana io ianao.",
"28": "Tendreo hisolo anao i Josoa ka ampaherezo sy hatanjaho, satria izy no hitarika an\u2019ity vahoaka ity ho any amin\u2019ilay tany, amin\u2019izay izy ireo ho afaka handova azy io.\u2019",
"29": "Tamin\u2019isika nipetraka tany amin\u2019ilay lohasaha tandrifin\u2019i Beti-peora no nitranga izany rehetra izany."
},
"4": {
"1": "\u201cHenoy, ry Israely, ny fitsipika sy ny didim-pitsarana ampianariko anareo, dia ankatoavy. Amin\u2019izay ho velona ianareo, ka hiditra ao amin\u2019ilay tany homen\u2019i Jehovah Andriamanitry ny razambenareo anareo, ary haka an\u2019izany ho anareo.",
"2": "Aza anampiana ny teny andidiako anareo ary aza analana, fa araho tsara ny didin\u2019i Jehovah Andriamanitrareo izay andidiako anareo.",
"3": "\u201cNy masonareo mihitsy no nahita an\u2019izay nataon\u2019i Jehovah tamin\u2019ny olona rehetra nanaraka an\u2019i Balan\u2019i Peora. Naringan\u2019i Jehovah Andriamanitrareo teo aminareo daholo ry zareo.",
"4": "Fa mbola velona daholo kosa izao ianareo izay mifikitra amin\u2019i Jehovah Andriamanitrareo.",
"5": "Efa nampianariko fitsipika sy didim-pitsarana ianareo, araka ny didy nomen\u2019i Jehovah Andriamanitro ahy, amin\u2019izay dia hankat\u00f2 an\u2019ireny ianareo any amin\u2019ilay tany halainareo ho anareo.",
"6": "Araho tsara ireny, satria izany no hahitan\u2019ny firenen-kafa hoe hendry sy mahira-tsaina ianareo. Haheno an\u2019ireny fitsipika rehetra ireny mantsy ry zareo, dia hiteny hoe: \u2018Ary tena hendry sy mahira-tsaina io firenena lehibe io!\u2019",
"7": "Fa iza no firenena lehibe manana andriamanitra akaiky azy, hoatran\u2019i Jehovah Andriamanitsika izay akaiky antsika ka mamaly antsika isaky ny miantso azy isika?",
"8": "Ary iza no firenena lehibe manana fitsipika sy didim-pitsarana marina hoatran\u2019ilay Lal\u00e0na manontolo omeko anareo anio?",
"9": "\u201cFa mitandrema fotsiny, dia tandremo tsara sao hadinoinao ny zavatra efa hitan\u2019ny masonao, ary sao hiala ao am-ponao izany mandritra ny androm-piainanao. Ampahafantaro ny zanakao sy ny zafinao koa izany.",
"10": "Fa tamin\u2019ianao nijoro teo anatrehan\u2019i Jehovah Andriamanitrao tany Horeba, dia hoy i Jehovah tamiko: \u2018Vorio ho et\u1ef3 amiko ny vahoaka fa tiako hihaino ny teniko, mba hianarany hatahotra ahy mandritra ny andro rehetra hiainany eo amin\u2019ilay tany, ary mba hampianarany ny zanany.\u2019",
"11": "\u201cDia nanatona ianareo, ka nitsangana teo am-pototry ny tendrombohitra. Ary nirehitra ilay tendrombohitra, ka nisy afo nanakatra ny lanitra, sady nisy haizina sy rahona ary haizim-pito.",
"12": "Dia niteny taminareo avy tao anaty afo i Jehovah, ka naheno feo ianareo saingy tsy nahita an\u2019ilay niteny. Feo ihany no henonareo.",
"13": "Ary nolazainy taminareo ilay fifanekena nasainy harahinareo, dia ny Didy Folo. Nosoratany teo amin\u2019ny takela-bato roa ilay izy avy eo.",
"14": "Dia nasain\u2019i Jehovah nampianatra anareo fitsipika sy didim-pitsarana aho tamin\u2019izay. Tokony hankatoavinareo ireny, any amin\u2019ilay tany halehanareo sy halainareo ho anareo.",
"15": "\u201cTamin\u2019ilay andro niresahan\u2019i Jehovah taminareo avy tao anaty afo, tany Horeba, dia tsy nahita ny endriny ianareo. Koa mitandrema tsara",
"16": "sao manao ratsy ianareo, izany hoe manao sary sokitra ho anareo, na sarin\u2019inona izany na sarin\u2019inona, na sarin-dehilahy na sarim-behivavy,",
"17": "na sarim-biby eto an-tany, na sarim-borona manidina eny amin\u2019ny lanitra,",
"18": "na sarim-biby mandady amin\u2019ny tany, na sarin-trondro any anaty rano ambanin\u2019ny tany.",
"19": "Ary rehefa mitraka mijery ny lanitra ianao ka mahita ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, izany hoe izay rehetra eny amin\u2019ny lanitra, dia tandremo sao miankohoka eo anatrehan\u2019ireny sy manompo azy satria hoe manintona anao ireny. Nomen\u2019i Jehovah Andriamanitrao ho an\u2019ny firenena rehetra eny ambanin\u2019ny lanitra manontolo mantsy ireny.",
"20": "Fa ianareo no nalain\u2019i Jehovah sy nentiny nivoaka avy tao amin\u2019ilay fatana fandrendrehana vy, izany hoe avy tany Ejipta, mba ho lasa fananany manokana hoatr\u2019izao androany izao.",
"21": "\u201cTezitra tamiko i Jehovah noho ny nataonareo, ka nianiana hoe tsy hiampita an\u2019i Jordana aho, na hiditra ao amin\u2019ilay tany tsara homen\u2019i Jehovah Andriamanitrareo anareo ho lovanareo.",
"22": "Ho faty eto amin\u2019ity tany ity mantsy aho fa tsy hiampita an\u2019i Jordana. Fa ianareo no hiampita dia haka an\u2019io tany tsara io ho anareo.",
"23": "Tandremo sao hadinoinareo ilay fifanekena nataon\u2019i Jehovah Andriamanitrareo taminareo. Aza manao sary sokitra ho anareo, dia zavatra mitovy bika amin\u2019ireo zavatra nandraran\u2019i Jehovah Andriamanitrareo anareo ireo.",
"24": "Fa afo mandevona i Jehovah Andriamanitrareo, ilay Andriamanitra mitaky ny hanompoana azy irery ihany.",
"25": "\u201cRaha miteraka sy manan-jafikely ianareo ka efa ela no nipetraka teo amin\u2019ilay tany, nefa manao ratsy ka manao sary sokitra na sarin\u2019inona izany na sarin\u2019inona, ary manao izay ratsy eo imason\u2019i Jehovah Andriamanitrareo ka mampahatezitra azy,",
"26": "dia hataoko vavolombelona hiampanga anareo ny lanitra sy ny tany anio, hoe tsy ho ela ianareo dia tsy maintsy ho ripaka eo amin\u2019ilay tany izay halainareo ho anareo eny ampitan\u2019i Jordana. Tsy ho ela velona eo ianareo, fa ho ringana tanteraka.",
"27": "Haparitak\u2019i Jehovah any amin\u2019ny firenen-kafa ianareo, ka ho vitsy kely sisa ianareo no ho velona, any amin\u2019ireo firenena handefasan\u2019i Jehovah anareo.",
"28": "Hanompo andriamanitra vato aman-kazo nataon\u2019olona ianareo any, dia andriamanitra tsy mahita na maheno na mihinana na mandre fofona.",
"29": "\u201cRaha mitady an\u2019i Jehovah Andriamanitrao anefa ianao any, dia tena hahita azy tokoa raha mitady azy amin\u2019ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo.",
"30": "Rehefa mitranga aminao daholo ireo zavatra voalaza rehetra ireo any aoriana any ka mafy be ny mahazo anao, dia hiverina amin\u2019i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hihaino ny feony.",
"31": "Fa Andriamanitra mamindra fo i Jehovah Andriamanitrao, ka tsy hahafoy anao na handringana anao na hanadino an\u2019ilay fifanekena nianianany tamin\u2019ny razambenao.",
"32": "\u201cTadidio ange ny andro taloha\u00a0e, tamin\u2019ianareo mbola tsy nisy, hatramin\u2019ny andro namoronan\u2019Andriamanitra ny olona teto an-tany! Mandehana mikaroka any amin\u2019ny faravodilanitra iray ka hatrany amin\u2019ny faravodilanitra iray. Angaha efa nisy zavatra miavaka\u00a0be hoatr\u2019izao, sa efa mba nisy naheno zavatra hoatr\u2019izao?",
"33": "Efa nisy vahoaka naheno ny feon\u2019Andriamanitra niteny avy tao anaty afo hoatr\u2019ireny henonao ireny ve, ka mbola velona ihany?",
"34": "Sa Andriamanitra efa mba nanandrana naka firenena ho an\u2019ny tenany avy tamin\u2019ny firenena iray, ka namoaka didim-pitsarana sy nanao famantarana sy fahagagana ary niady, sady nampiasa ny tanany matanjaka sy ny sandriny mahery, ary nanao zavatra mampahatahotra? Efa nanao toy izany ve i Jehovah Andriamanitrareo, hoatran\u2019ny nataony taminareo tany Ejipta teo imasonareo?",
"35": "Ianareo ihany no nampisehoana an\u2019izany rehetra izany mba ho fantatrareo fa i Jehovah no tena Andriamanitra, ary tsy misy ankoatra azy.",
"36": "Nataony henonareo avy any an-danitra ny feony mba hanitsiana anareo. Ary nasehony anareo teto an-tany ny afo miredareda, dia henonareo avy tao anatin\u2019ilay afo ny teniny.",
"37": "\u201cTiany ny razambenao ka nofidiny ny taranak\u2019izy ireo. Dia nentiny nivoaka avy tany Ejipta teo anatrehany tamin-kery lehibe ianao.",
"38": "Noroahiny niala teo anatrehanao izay firenena lehibe sy matanjaka noho ianao. Amin\u2019izay ianao no hampidirina ao amin\u2019ny tanin\u2019izy ireo, ka homeny anao ilay izy mba ho lovanao, hoatr\u2019izao androany izao.",
"39": "Fantaro \u00e0ry dia ataovy ao am-ponao androany, fa i Jehovah no tena Andriamanitra any amin\u2019ny lanitra ambony sy et\u1ef3 amin\u2019ny tany ambany. Tsy misy afa-tsy izy.",
"40": "Araho ny fitsipiny sy ny didiny izay andidiako anao anio, mba handeha tsara foana ny fiainanao sy ny an\u2019ny taranakao. Dia ho ela velona eo amin\u2019ilay tany homen\u2019i Jehovah Andriamanitrao anao ianao.\u201d",
"41": "Nanokana tan\u00e0na telo teny ampita atsinanan\u2019i Jordana i Mosesy, tamin\u2019izay fotoana izay.",
"42": "Raha misy olona mahafaty olona tsy nahy nefa tsy nankahala an\u2019ilay olona talohan\u2019izay, dia handositra any amin\u2019ny iray amin\u2019ireo tan\u00e0na ireo izy, ka ho velona.",
"43": "Ireto avy izany tan\u00e0na izany: I Bezera any an-tany efitra, eny amin\u2019ny lembalemba, no ho an\u2019ny Robenita. I Ramota any Gileada no ho an\u2019ny Gadita. Ary i Golana any Basana no ho an\u2019ny Manasita.",
"44": "Ary izao no Lal\u00e0na napetrak\u2019i Mosesy teo anatrehan\u2019ny vahoakan\u2019Israely.",
"45": "Ireto avy ny fampahatsiahivana sy ny fitsipika ary ny didim-pitsarana nomen\u2019i Mosesy ny Israelita, rehefa tafavoaka avy tany Ejipta izy ireo,",
"46": "tany amin\u2019ny faritr\u2019i Jordana, teo amin\u2019ilay lohasaha tandrifin\u2019i Beti-peora, tao amin\u2019ny tanin\u2019i Sihona mpanjakan\u2019ny Amorita izay nipetraka tao Hesbona, dia ilay resin\u2019i Mosesy sy ny Israelita, rehefa tafavoaka avy tany Ejipta izy ireo.",
"47": "Ary nalain\u2019izy ireo ny tanin\u2019i Sihona sy ny tanin\u2019i Oga mpanjakan\u2019i Basana, dia ny mpanjakan\u2019ny Amorita anankiroa, tany amin\u2019ny faritra atsinanan\u2019i Jordana,",
"48": "manomboka any Aroera, eo an-tsisin\u2019ny Lohasahan\u2019i Arnona, ka hatrany amin\u2019ny Tendrombohitra Siona, izany hoe Hermona,",
"49": "sy Araba manontolo any amin\u2019ny faritra atsinanan\u2019i Jordana, ka hatrany amin\u2019ny Ranomasin\u2019i Araba, eo am-pototry ny havoanan\u2019i Pisga."
},
"5": {
"1": "Dia nantsoin\u2019i Mosesy ny Israely rehetra, ka hoy izy: \u201cRy Israely\u00a0\u00f4, henoy ny fitsipika sy ny didim-pitsarana lazaiko aminareo anio, dia ianaro sy araho tsara.",
"2": "Nanao fifanekena tamintsika i Jehovah Andriamanitsika, tany Horeba.",
"3": "Tsy tamin\u2019ny razambentsika no nanaovan\u2019i Jehovah an\u2019izany fifanekena izany fa tamintsika, dia isika rehetra mbola velona eto.",
"4": "Niteny mivantana taminareo avy tao anaty afo i Jehovah, teo amin\u2019ilay tendrombohitra.",
"5": "Nitsangana teo anelanelanareo sy Jehovah aho tamin\u2019izay, mba hampita aminareo ny tenin\u2019i Jehovah. Natahotra an\u2019ilay afo mantsy ianareo, ka tsy niakatra teo amin\u2019ilay tendrombohitra. Hoy izy tamin\u2019izay:",
"6": "\u201c\u2018Izaho no Jehovah Andriamanitrao izay nitondra anao nivoaka avy tany Ejipta, tany amin\u2019ny toerana nanandevozana anao.",
"7": "Aza manana andriamani-kafa ankoatra ahy mihitsy.",
"8": "\u201c\u2018Aza manao sary sokitra ho anao, na manamboatra zavatra mitovy bika amin\u2019izay eny amin\u2019ny lanitra ambony, na izay et\u1ef3 amin\u2019ny tany ambany, na izay any anaty rano ambanin\u2019ny tany.",
"9": "Aza miankohoka eo anatrehan\u2019ireny, na manaiky ho voatarika hanompo azy, fa izaho Jehovah Andriamanitrao dia Andriamanitra mitaky ny hanompoana ahy irery ihany. Koa raha misy raim-pianakaviana mankahala ahy, dia hosaziko noho ny fahadisoany ny zanany sy ny zafikeliny ary ny zafiafiny.",
"10": "Fa raha misy kosa tia ahy sy mankat\u00f2 ny didiko, dia ho tiako foana ny taranany, hatramin\u2019ny taranany faharivo.",
"11": "\u201c\u2018Aza manao tsinontsinona ny anaran\u2019i Jehovah Andriamanitrao, fa tsy hisy havelan\u2019i Jehovah ho afa-maina izay manao tsinontsinona ny anarany.",
"12": "\u201c\u2018Tandremo ny andro sabata mba ho masina foana io andro io, araka ny didy nomen\u2019i Jehovah Andriamanitrao anao.",
"13": "Enina andro ianao no hiasa sy hanao ny raharahanao rehetra.",
"14": "Fa ny andro fahafito kosa Sabata ho an\u2019i Jehovah Andriamanitrao. Aza manao asa na inona na inona, na ianao, na ny zanakao lahy, na ny zanakao vavy, na ny mpanompolahinao, na ny mpanompovavinao, na ny ombinao, na ny ampondranao, na ny biby fiompinao, na ny vahiny mipetraka ao an-tan\u00e0nanao. Amin\u2019izay dia ho afaka hiala sasatra hoatr\u2019anao koa ny mpanompolahinao sy ny mpanompovavinao.",
"15": "Tadidio fa andevo tany Ejipta ianao, ka nampiasa ny tanany matanjaka sy ny sandriny mahery i Jehovah Andriamanitrao rehefa nitondra anao niala tany. Izany no antony nandidian\u2019i Jehovah Andriamanitrao anao hitandrina ny andro sabata.",
"16": "\u201c\u2018Hajao ny rainao sy ny reninao, araka ny didy nomen\u2019i Jehovah Andriamanitrao anao, mba ho ela velona ianao, ary mba handeha tsara ny fiainanao eo amin\u2019ilay tany homen\u2019i Jehovah Andriamanitrao anao.",
"17": "\u201c\u2018Aza mamono olona.",
"18": "\u201c\u2018Aza manitsakitsa-bady.",
"19": "\u201c\u2018Aza mangalatra.",
"20": "\u201c\u2018Aza mijoro ho vavolombelona mandainga hiampanga ny namanao.",
"21": "\u201c\u2018Ary aza mitsiriritra ny vadin\u2019ny namanao. Aza tia tena ka mitsiriritra ny tranon\u2019ny namanao, na ny taniny, na ny mpanompolahiny, na ny mpanompovaviny, na ny ombiny, na ny ampondrany, na inona na inona fananany.\u2019",
"22": "\u201cIreo didy ireo no nolazain\u2019i Jehovah taminareo rehetra tafavory teo amin\u2019ilay tendrombohitra, ary nilaza an\u2019izany tamin\u2019ny feo mafy avy tao anaty afo sy rahona ary haizim-pito izy. Tsy nasiany fanampiny ireo didy ireo. Dia nosoratany teo amin\u2019ny takela-bato roa ireo ka nomeny ahy.",
"23": "\u201cRaha vao henonareo anefa ilay feo avy tao anaty haizina, tamin\u2019ilay tendrombohitra mbola nirehitra, dia nanatona ahy daholo ny lehibem-poko sy ny anti-panahy teo aminareo.",
"24": "Dia hoy ianareo: \u2018Efa nasehon\u2019i Jehovah Andriamanitsika antsika ny voninahiny sy ny heriny, ary efa henontsika ny feony niteny avy tao anaty afo. Androany isika no nahita fa afaka miteny amin\u2019olona Andriamanitra, kanefa mbola velona ihany ilay olona.",
"25": "Matahotra anefa izahay sao ho faty, satria mety handevona anay io afo lehibe io. Tena ho faty mihitsy izahay, raha mbola maheno ny feon\u2019i Jehovah Andriamanitsika.",
"26": "Fa iza tamin\u2019ny olona rehetra no hoatr\u2019antsika ka hoe efa naheno ny feon\u2019ilay Andriamanitra velona niteny avy tao anaty afo, nefa mbola velona ihany?",
"27": "Fa mandehana ianao mihaino an\u2019izay rehetra holazain\u2019i Jehovah Andriamanitsika. Dia ianao no hiteny aminay izay rehetra lazain\u2019i Jehovah Andriamanitsika aminao, ary hohenoinay izany ka harahinay.\u2019",
"28": "\u201cHenon\u2019i Jehovah \u00e0ry ny teny nolazainareo tamiko, ka hoy i Jehovah tamiko: \u2018Efa henoko ny tenin\u2019ity vahoaka ity taminao. Mety daholo izany teniny izany.",
"29": "Raha mba maniry hatahotra ahy sy hankat\u00f2 ny didiko rehetra foana mantsy ny fony, dia handeha tsara mandrakizay ny fiainany sy ny an\u2019ny taranany!",
"30": "Mandehana lazao aminy hoe: \u201cModia any amin\u2019ny tranolainareo.\u201d",
"31": "Ianao kosa mijan\u00f2na eto amiko, fa holazaiko aminao daholo ny didy sy ny fitsipika ary ny didim-pitsarana tokony hampianarinao azy sy tokony hankatoaviny any amin\u2019ilay tany homeko azy.\u2019",
"32": "Koa araho tsara izay efa nandidian\u2019i Jehovah Andriamanitrareo anareo. Aza miala amin\u2019izany na mivily miankavanana na miankavia.",
"33": "Araho tsara ny lalana asain\u2019i Jehovah Andriamanitrareo halehanareo, mba ho velona ianareo ka handeha tsara ny fiainanareo, ary ho ela velona eo amin\u2019ilay tany halainareo ho anareo ianareo."
},
"6": {
"1": "\u201cIzao no didy sy fitsipika ary didim-pitsarana asain\u2019i Jehovah Andriamanitrareo ampianarina anareo, mba harahinareo rehefa miampita any amin\u2019ilay tany halainareo ho anareo ianareo.",
"2": "Dia amin\u2019izay hatahotra an\u2019i Jehovah Andriamanitrareo ianareo sy ny zanakareo ary ny zafinareo, ka hanaraka ny lal\u00e0ny sy ny didiny rehetra andidiako anareo ianareo mandritra ny androm-piainanareo, mba ho ela velona.",
"3": "Dia henoy izao, ry Israely\u00a0\u00f4, ka araho tsara mba handeha tsara ny fiainanareo, ary ho lasa be dia be ianareo any amin\u2019ilay tany tondra-dronono sy tantely, araka ny efa nampanantenain\u2019i Jehovah Andriamanitry ny razambenareo anareo.",
"4": "\u201cHenoy izao, ry Israely \u00f4: I Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany.",
"5": "Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin\u2019ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo ary ny herinao manontolo.",
"6": "Ataovy ao am-ponao ireto teny andidiako anao anio ireto.",
"7": "Dia alenteho tsikelikely ao an-tsain\u2019ny zanakao izany ary resaho na rehefa mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha eny an-dalana, na hatory, na mifoha.",
"8": "Afatory eo amin\u2019ny tananao izany mba ho fampahatsiahivana ho anao, ary ataovy fehiloha eo amin\u2019ny handrinao.",
"9": "Soraty eo amin\u2019ny tol\u00e0m-baravaran\u2019ny tranonao sy eo amin\u2019ny vavahadinao koa izany.",
"10": "\u201cRehefa entin\u2019i Jehovah Andriamanitrao any amin\u2019ilay tany efa nianianany tamin\u2019i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razambenao hoe homena anao ianao, dia hahazo tan\u00e0na lehibe sady tsara tarehy izay tsy naorinao.",
"11": "Hahazo trano feno zavatra tsara isan-karazany izay tsy nisasaranao koa ianao, sy lavaka fanangonan-drano tsy nolavahanao, sy tanimboaloboka tsy novolenao, ary hazo oliva tsy nambolenao. Dia hihinana ianao ka ho voky.",
"12": "Tandremo anefa sao hadinoinao i Jehovah, ilay nitondra anao nivoaka avy tany Ejipta, avy tany amin\u2019ny toerana nanandevozana anao.",
"13": "I Jehovah Andriamanitrao no tokony hatahoranao, izy no tokony hotompoinao, ary amin\u2019ny anarany ianao no tokony hianiana.",
"14": "Aza manompo andriamani-kafa, dia ny andriamanitr\u2019ireo firenena manodidina anao,",
"15": "satria i Jehovah Andriamanitrao izay eo aminao dia Andriamanitra mitaky ny hanompoana azy irery ihany. Fa raha manompo andriamani-kafa ianao, dia ho tezitra be aminao i Jehovah Andriamanitrao, ka haringany ianao dia tsy hisy intsony eny ambonin\u2019ny tany.",
"16": "\u201cAza mitsapa toetra an\u2019i Jehovah Andriamanitrareo, hoatran\u2019ny nataonareo tao Masa.",
"17": "Araho an-tsakany sy an-davany ny didin\u2019i Jehovah Andriamanitrareo sy ny fampahatsiahivany ary ny fitsipiny izay nasainy narahinareo.",
"18": "Izay tsara sy mety eo imason\u2019i Jehovah no ataovy mba handeha tsara ny fiainanao, ka hiditra ao amin\u2019ilay tany tsara nianianan\u2019i Jehovah tamin\u2019ny razambenao ianao. Dia halainao ho anao izy io,",
"19": "ka horoahinao hiala eo anatrehanao daholo ny fahavalonao, araka ny efa nampanantenain\u2019i Jehovah.",
"20": "\u201cRaha manontany anao ny zanakao any aoriana any hoe: \u2018Inona no dikan\u2019ireny fampahatsiahivana sy fitsipika ary didim-pitsarana nandidian\u2019i Jehovah Andriamanitsika anareo ireny?\u2019,",
"21": "dia izao no holazainao aminy: \u2018Andevon\u2019i Farao isika tany Ejipta, nefa nentin\u2019i Jehovah nivoaka avy tany tamin\u2019ny herin-tsandriny.",
"22": "Koa nanao famantarana sy fahagagana lehibe i Jehovah mba handripahana an\u2019i Ejipta sy Farao ary ny ankohonany manontolo, ary hitan\u2019ny masontsika mihitsy izany.",
"23": "Dia navoakany avy tany isika ka nentiny eto mba homeny an\u2019ilay tany efa nianianany tamin\u2019ny razambentsika.",
"24": "Nandidy antsika i Jehovah avy eo mba hankat\u00f2 an\u2019ireo fitsipika rehetra ireo, sady hatahotra an\u2019i Jehovah Andriamanitsika. Handeha tsara foana ny fiainantsika amin\u2019izay, dia ho velona foana isika hoatr\u2019izao androany izao.",
"25": "Ho olo-marina koa isika, raha mitandrina tsara an\u2019izany didy rehetra izany satria mankat\u00f2 an\u2019i Jehovah Andriamanitsika, araka ny didy nomeny antsika.\u2019"
},
"7": {
"1": "\u201cRehefa ampidirin\u2019i Jehovah Andriamanitrao any amin\u2019ilay tany efa halainao ho anao ianao, dia horoahiny hiala eo aminao koa ireto firenena be mponina ireto: Ny Hetita, ny Girgasita, ny Amorita, ny Kananita, ny Perizita, ny Hivita, ary ny Jebosita, izany hoe firenena fito be mponina sady mahery noho ianao.",
"2": "Ary hatolotr\u2019i Jehovah Andriamanitrao eo am-pelatananao ireny ka ho resinao. Tsy maintsy haringanao tanteraka izy ireny. Aza manao fifanekena aminy na miantra azy.",
"3": "Aza manao fifanarahana aminy, ka hoe omenao ho vadin\u2019ny zanany lahy ny zanakao vavy, ary alainao ho vadin\u2019ny zanakao lahy ny zanany vavy.",
"4": "Fa hitarika ny zanakao lahy hiala amiko sy hanompo andriamani-kafa ireny, dia ho tezitra be aminao i Jehovah, ka horinganiny ao anatin\u2019ny fotoana fohy ianao.",
"5": "\u201cFa izao kosa no hataonareo amin\u2019ireny: Arodano ny alitarany, potipoteho ny tsangambatony masina, kapao ny tsato-kazony masina, ary dory ny sary sokitra ivavahany.",
"6": "Fa vahoaka masina ianareo amin\u2019i Jehovah Andriamanitrareo, ary nofidin\u2019i Jehovah Andriamanitrareo avy tamin\u2019ny firenena rehetra et\u1ef3 ambonin\u2019ny tany, mba ho vahoakany sy ho fananany manokana.",
"7": "\u201cTsy hoe satria ianareo no maro an\u2019isa indrindra amin\u2019ny firenena rehetra dia miraiki-po aminareo sy nifidy anareo i Jehovah. Ianareo tsinona no vitsy indrindra amin\u2019ny firenena rehetra.",
"8": "Fa tia anareo kosa i Jehovah sady nanaja an\u2019ilay fianianana nataony tamin\u2019ny razambenareo. Dia izany no nahatonga an\u2019i Jehovah hampiasa ny herin-tsandriny mba hitondrana anareo sy hanavotana anareo avy tany amin\u2019ilay toerana nanandevozana anareo, dia avy teo ambany fahefan\u2019i Farao mpanjakan\u2019i Ejipta.",
"9": "Fantatrao tsara fa i Jehovah Andriamanitrao no tena Andriamanitra, ilay Andriamanitra mendri-pitokisana sady manaja ny fifanekena nataony. Tena tia an\u2019izay tia azy sy izay mankat\u00f2 ny didiny koa izy sady tsy mba mivadika amin\u2019izy ireny mihitsy, na dia hatrany amin\u2019ny taranaka faharivo aza.",
"10": "Izay mankahala azy kosa hovaliany ka haringany. Tsy hiandry ela izy rehefa hanasazy an\u2019izay mankahala azy, fa hataony hitan\u2019izy ireo tsara ny hamaliany azy.",
"11": "Tandremo tsara \u00e0ry ny didy sy ny fitsipika ary ny didim-pitsarana andidiako anao anio, dia ankatoavy izy ireny.",
"12": "\u201cRaha mihaino an\u2019izany didim-pitsarana izany foana ianareo ka manaraka tsara sy mankat\u00f2 azy ireny, dia hotanterahin\u2019i Jehovah Andriamanitrareo ilay fifanekena nataony, ary ho tia anareo sy tsy hivadika aminareo izy, araka ilay fianianana nataony tamin\u2019ny razambenareo.",
"13": "Dia ho tia sy hitahy anao tokoa izy, ary hataony lasa be dia be ianao. Tena hotahiny tokoa ianao ka hataony lasa be dia be ny zanakao, ny vokatry ny taninao, ny varimbazahanao, ny divainao vaovao, ny menakao, ny zanak\u2019ombinao, ary ny zanak\u2019ondrinao, any amin\u2019ilay tany nianianany tamin\u2019ny razambenao hoe homena anao.",
"14": "Ianao no hotahina indrindra amin\u2019ny firenena rehetra. Hanan-janaka daholo na ny lehilahy na ny vehivavy eo aminao, na ny biby fiompinao.",
"15": "Hesorin\u2019i Jehovah eo aminao ny aretina rehetra. Ary hataony tsy misy mahazo anao ny aretina faran\u2019izay ratsy efa fantatrao tany Ejipta. Fa izay rehetra mankahala anao kosa no hataony voan\u2019izany.",
"16": "Tokony haringanao daholo ny firenena rehetra hataon\u2019i Jehovah Andriamanitrao resinao. Aza miantra azy ianao ary aza manompo ny andriamaniny, fa ho fandrika ho anao izany.",
"17": "\u201cRaha mieritreritra ianao hoe: \u2018Betsaka lavitra noho izahay ireo firenena ireo, ka ho vitanay ve ny handroaka an\u2019ireo?\u2019,",
"18": "dia aza matahotra azy. Tadidio foana izay nataon\u2019i Jehovah Andriamanitrao tamin\u2019i Farao sy Ejipta manontolo,",
"19": "dia ny sazy lehibe efa hitan\u2019ny masonao, ny famantarana sy fahagagana nataon\u2019i Jehovah Andriamanitrao, ny tanana matanjaka sy herin-tsandry nampiasainy mba hitondrana anao hivoaka avy tany. Hoatr\u2019izany no hataon\u2019i Jehovah Andriamanitrao amin\u2019ny firenena rehetra atahoranao.",
"20": "Hataon\u2019i Jehovah Andriamanitrao koa izay hahakivy azy ireny, mandra-pahafatin\u2019izay sisa tavela sy izay niafina anao.",
"21": "Aza mihorohoro noho ny amin\u2019ireny, fa manampy anao i Jehovah Andriamanitrao, ilay Andriamanitra tena miavaka sy mendrika hatahorana.",
"22": "\u201cHoroahin\u2019i Jehovah Andriamanitrao hiala tsikelikely eo anatrehanao ireny firenena ireny. Tsy mahazo mandringana azy ao anatin\u2019ny fotoana fohy anefa ianao, sao ho lasa be dia be ny bibidia ka ho laniny ianao.",
"23": "Hanolotra azy ireny eo am-pelatananao i Jehovah Andriamanitrao ka handresy azy tanteraka, mandra-paharipaka an\u2019ireny.",
"24": "Dia hataony resinao ny mpanjakany, ka hofoananao et\u1ef3 ambanin\u2019ny lanitra ny anaran\u2019ireny. Tsy hisy hahavita hanohitra anao, mandra-pandringanao tanteraka an\u2019ireny.",
"25": "Tokony hodoranareo ny sary sokitra ataony andriamanitra. Aza mitsiriritra ny volafotsy na ny volamena eo amin\u2019ireny, na maka an\u2019izany ho anao, sao ho voafandrik\u2019izany ianao. Zavatra maharikoriko an\u2019i Jehovah Andriamanitrao mantsy izany.",
"26": "Aza mitondra zava-maharikoriko ho ao an-tranonao, sao haringana hoatr\u2019izany zavatra izany koa ianao. Tokony haharikoriko tanteraka anao izany sady ho tena halanao, satria zavatra voatokana haringana."
},
"8": {
"1": "\u201cAnkatoavy izay didy rehetra omeko anao anio, mba ho velona foana ianao, ka hihamaro be ary hiditra ao amin\u2019ilay tany nianianan\u2019i Jehovah tamin\u2019ny razambenao, dia haka an\u2019ilay izy ho anao.",
"2": "Tsarovy ilay lalana lavitra be nitondran\u2019i Jehovah Andriamanitrao anao tany an-tany efitra nandritra an\u2019izay 40\u00a0taona izay. Nentiny tany amin\u2019ilay lalana ianao, satria tiany hampianarina hanetry tena sy tiany hotsapaina, mba hahafantarana an\u2019izay ao am-ponao na hanaraka ny didiny ianao na tsia.",
"3": "Koa nataony izay hahatonga anao hanetry tena, ka navelany ho noana ianao, ary nomeny mana ho sakafonao, dia mana tsy fantatrao sady tsy fantatry ny razambenao. Tiany hampahafantarina anao mantsy fa tsy ny mofo ihany no mahavelona ny olona, fa ny teny rehetra lazain\u2019i Jehovah koa.",
"4": "Tsy lasa tonta ny akanjo nanaovanao, ary tsy nivonto ny tongotrao nandritra an\u2019izay 40\u00a0taona izay.",
"5": "Fantatrao tsara fa nanitsy anao i Jehovah Andriamanitrao, hoatran\u2019ny olona manitsy ny zanany.",
"6": "\u201cAraho \u00e0ry ny didin\u2019i Jehovah Andriamanitrao, ka mandehana amin\u2019ny lalana atorony ary matahora azy.",
"7": "Fa efa hampiditra anao ao amin\u2019ilay tany tsara i Jehovah Andriamanitrao. Tany be\u00a0renirano izy io, sady misy loharano sy rano lalina mikoriana eny amin\u2019ny tany lemaka sy ny faritra be tendrombohitra.",
"8": "Tany misy varimbazaha koa izy io, sady misy vary orza, voaloboka, aviavy, ampongabendanitra, menak\u2019oliva, ary tantely.",
"9": "Tsy ho ory sakafo ianao ao amin\u2019izany tany izany, sady tsy ho ory na inona na inona. Misy vy ny vato ao, ary ao amin\u2019ny tendrombohitra ao ianao no hitrandraka varahina.",
"10": "\u201cRehefa mihinana ianao ka voky, dia derao i Jehovah Andriamanitrao noho ilay tany tsara nomeny anao.",
"11": "Tandremo sao hadinoinao i Jehovah Andriamanitrao, ka tsy ankatoavinao ny didiny sy ny didim-pitsarany ary ny lal\u00e0ny, izay andidiako anao anio.",
"12": "Rehefa mihinana ianao ka voky ary manorina trano tsara ka mipetraka ao,",
"13": "sady lasa be dia be ny omby sy ny ondry aman\u2019osinao, ny volafotsinao, ny volamenanao, ary ny fanananao rehetra,",
"14": "dia aza avela hiavonavona ny fonao ka hahatonga anao hanadino an\u2019i Jehovah Andriamanitrao. Izy mantsy no nitondra anao nivoaka avy tany Ejipta, avy tany amin\u2019ny toerana nanandevozana anao.",
"15": "Izy koa no nitarika anao hamakivaky an\u2019ilay tany efitra lehibe sy mampahatahotra, izay misy bibilava misy poizina sy maingoka, sady tany karakaina tsy misy rano. Izy koa no namoaka rano avy tamin\u2019ny vatolampy,",
"16": "sy nanome anao mana ho sakafonao tany an-tany efitra, dia mana tsy fantatry ny razambenao. Tiany hampianarina hanetry tena mantsy ianao sady tiany hotsapaina, mba handray soa any aoriana any.",
"17": "Raha mieritreritra ianao hoe: \u2018Ny tanjako sy ny herin-tsandriko no nahazoako an\u2019izao harena izao\u2019,",
"18": "dia tadidio fa i Jehovah Andriamanitrao no manome hery anao mba hahazoana harena. Tiany hotanterahina mantsy ilay fifanekena nianianany tamin\u2019ny razambenao, hoatran\u2019izao androany izao.",
"19": "\u201cFa raha sanatria manadino an\u2019i Jehovah Andriamanitrareo ianareo, ka manaraka andriamani-kafa sy manompo an\u2019ireny sady miankohoka eo anatrehany, dia mampitandrina anareo aho anio fa ho ripaka tokoa ianareo.",
"20": "Ho ripaka tahaka an\u2019ireo firenena haringan\u2019i Jehovah eo alohanareo ianareo, satria tsy nety nihaino ny feon\u2019i Jehovah Andriamanitrareo."
},
"9": {
"1": "\u201cMihainoa, ry Israely \u00f4: Efa hiampita an\u2019i Jordana ianao izao ary hiditra ao amin\u2019ilay tany, dia halainao io tanin\u2019ny firenena lehibe sy mahery noho ianao io. Misy tan\u00e0na lehibe sady misy manda manakatra ny lanitra ilay izy,",
"2": "ary misy vahoaka matanjaka sy lava ranjanana izay taranaky ny Anakita. Fantatrao ireo ary efa henonao izay lazain\u2019ny olona momba azy hoe: \u2018Iza no mahavita manohitra ny taranak\u2019i An\u00e0ka?\u2019",
"3": "Fantaro \u00e0ry anio fa hiampita eo alohanao i Jehovah Andriamanitrao. Fa afo mandevona izy, ka handringana an\u2019ireny. Hataony resy eo imasonao ireny, dia horoahinao sy haringanao ao anatin\u2019ny fotoana fohy, araka izay efa nampanantenain\u2019i Jehovah anao.",
"4": "\u201cRehefa roahin\u2019i Jehovah Andriamanitrao hiala eo anatrehanao ireny, dia aza mieritreritra hoe: \u2018Satria manao ny marina aho, dia izany no nahatonga an\u2019i Jehovah hampiditra ahy teto amin\u2019ity tany ity mba haka azy ity.\u2019 Fa noho ireny firenena ireny ratsy fanahy no antony handroahan\u2019i Jehovah azy hiala eo alohanao.",
"5": "Tsy hoe satria manao ny marina ianao na hoe mahitsy fo, dia hiditra ao amin\u2019ny tanin\u2019izy ireo sy haka an\u2019ilay izy ho anao. Fa noho ireo firenena ireo ratsy fanahy no antony handroahan\u2019i Jehovah Andriamanitrao azy eo alohanao. Tian\u2019i Jehovah hotanterahina koa ilay fianianany tamin\u2019i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razambenao.",
"6": "Fantaro \u00e0ry fa tsy hoe satria manao ny marina ianao dia homen\u2019i Jehovah Andriamanitrao anao io tany tsara io. Vahoaka mafy loha mantsy ianareo.",
"7": "\u201cTsarovy, ary aza hadinoina mihitsy ny zavatra nataonareo ka nampahatezitra an\u2019i Jehovah Andriamanitrareo tany an-tany efitra. Nikomy tamin\u2019i Jehovah foana ianareo, nanomboka tamin\u2019ny andro nialanareo tany Ejipta ka mandra-pahatonganareo teto amin\u2019ity toerana ity.",
"8": "Nampahatezitra an\u2019i Jehovah ianareo na tany Horeba aza. Dia tezitra be taminareo i Jehovah ka efa saika handringana anareo.",
"9": "Rehefa niakatra an\u2019ilay tendrombohitra aho mba handray ny takela-bato misy ny fifanekena nataon\u2019i Jehovah taminareo, dia nijanona 40 andro sy 40 alina teny, sady tsy nihinan-kanina no tsy nisotro rano.",
"10": "Dia avy eo nomen\u2019i Jehovah ahy ny takela-bato roa nosoratan\u2019ny rantsantanany. Voasoratra tao daholo ny teny rehetra nolazain\u2019i Jehovah taminareo avy tao anaty afo teo amin\u2019ilay tendrombohitra, tamin\u2019ilay andro nivorian\u2019ny vahoaka.",
"11": "Dia nomen\u2019i Jehovah ahy ny takela-bato roa, dia ny takela-baton\u2019ny fifanekena, rehefa tapitra ny 40\u00a0andro sy 40\u00a0alina.",
"12": "Dia hoy i Jehovah tamiko: \u2018Mial\u00e0 eto dia mid\u00ecna haingana, fa manao ratsy ilay vahoakanao nentinao niala tany Ejipta. Izay sahady ry zareo dia efa niala tamin\u2019ilay lalana nasaiko narahiny, ka nanao sarivongana metaly.\u2019",
"13": "Hoy koa i Jehovah tamiko: \u2018Efa hitako mihitsy fa mafy loha ity vahoaka ity!",
"14": "Aleo haringako ireo dia hofoanako eny ambanin\u2019ny lanitra ny anarany, fa ianao kosa hataoko firenena matanjaka sy be mponina kokoa noho ireo.\u2019",
"15": "\u201cDia nihodina aho, ka nidina avy teo amin\u2019ilay tendrombohitra mbola nirehitra. Teny amin\u2019ny tanako roa ny takela-bato roa misy ny fifanekena.",
"16": "Nijery aho dia nahita anareo nanota tamin\u2019i Jehovah Andriamanitrareo! Efa nanao zanak\u2019omby tamin\u2019ny metaly ianareo. Tamin\u2019io sahady ianareo dia efa niala tamin\u2019ilay lalana nasain\u2019i Jehovah narahinareo.",
"17": "Nalaiko \u00e0ry ny takela-bato roa dia natontako avy teny an-tanako, ka novakivakiko teo imasonareo.",
"18": "Niankohoka teo anatrehan\u2019i Jehovah 40 andro sy 40\u00a0alina aho avy eo, hoatran\u2019ilay tamin\u2019ny voalohany ihany. Tsy nihinan-kanina aho tamin\u2019izay na nisotro rano, noho ny fahotana rehetra nataonareo. Nanao izay ratsy teo imason\u2019i Jehovah mantsy ianareo, ka nampahatezitra azy.",
"19": "Fa natahotra be aho satria tena tezitra be taminareo i Jehovah, ka efa saika handringana anareo. Mbola nihaino ahy ihany anefa i Jehovah tamin\u2019izay.",
"20": "\u201cTena tezitra be tamin\u2019i Arona koa i Jehovah, ka efa saika handringana azy. Fa nitalaho ho an\u2019i Arona koa aho tamin\u2019izay.",
"21": "Dia nalaiko ilay zanak\u2019omby, dia ilay fahotana nataonareo, ka nodorako tao anaty afo. Dia nopotipotehiko sy notorotoroiko tanteraka ilay izy ka lasa vovoka madinika tamin\u2019ny farany. Natsipiko tao amin\u2019ilay renirano nikoriana avy tany amin\u2019ilay tendrombohitra ny vovony avy eo.",
"22": "\u201cMbola nampahatezitra an\u2019i Jehovah koa ianareo tany Tabera sy Masa ary Kibrota-hatava.",
"23": "Nisy fotoana koa ianareo nasain\u2019i Jehovah niala tao Kadesi-barnea, dia noteneniny hoe: \u2018Miakara ka alaivo ho anareo ilay tany homeko anareo!\u2019 Mbola tsy nanaraka ny baikon\u2019i Jehovah Andriamanitrareo indray anefa ianareo, ary tsy nino na nankat\u00f2 azy.",
"24": "Nikomy tamin\u2019i Jehovah foana ianareo hatramin\u2019izay nahalalako anareo izay.",
"25": "\u201cNiankohoka teo anatrehan\u2019i Jehovah foana \u00e0ry aho, nandritra ny 40 andro sy 40 alina. Niankohoka aho satria nilaza i Jehovah hoe efa handringana anareo.",
"26": "Dia nitalaho tamin\u2019i Jehovah aho hoe: \u2018Ry Jehovah Tompo Fara Tampony\u00a0\u00f4! Mba aza aringana re ny vahoakanao\u00a0e! Fanananao manokana ange izy ireo\u00a0e! Navotanao tamin\u2019ny herinao lehibe mantsy izy ireo, dia nentinao nivoaka avy tany Ejipta tamin\u2019ny herin-tsandrinao.",
"27": "Tsarovy i Abrahama sy Isaka ary Jakoba mpanomponao. Marina fa mafy loha ity vahoaka ity sady ratsy fanahy sy mpanota, nefa aza izany no jerena.",
"28": "Sao mantsy hiteny ny mponina ao amin\u2019ilay tany namoahanao anay hoe: \u201cTsy vitan\u2019i Jehovah ny nitondra an-dry zareo ho any amin\u2019ilay tany nampanantenainy azy. Tena tsy tiany ry zareo matoa nalainy teto mba hovonoiny any an-tany efitra.\u201d",
"29": "Mbola vahoakanao mantsy izy ireo sady fanananao manokana, izay nentinao tamin\u2019ny herinao lehibe sy ny sandrinao mahery.\u2019"
},
"10": {
"1": "\u201cNiteny tamiko i Jehovah tamin\u2019izay hoe: \u2018Manamboara takela-bato roa mitovy amin\u2019ireo voalohany ka miakara at\u1ef3 amiko, at\u1ef3 an-tendrombohitra. Manaova koa vata hazo anankiray.",
"2": "Dia hosoratako eo amin\u2019ireo takela-bato ireo ny teny nosoratana teo amin\u2019ireo takela-bato voalohany efa nopotipotehinao. Ary ataovy ao anatin\u2019ilay vata ireo.\u2019",
"3": "Koa nanao vata tamin\u2019ny hazo akasia aho, ary nanamboatra takela-bato roa nitovy tamin\u2019ilay voalohany. Dia niakatra an\u2019ilay tendrombohitra aho, ary nentiko teny an-tanako ny takela-bato roa.",
"4": "Nosoratany teo amin\u2019ireo takela-bato ireo ny teny nosoratany tamin\u2019ny voalohany, dia ny Didy Folo nolazain\u2019i Jehovah taminareo avy tao anaty afo teny amin\u2019ilay tendrombohitra, tamin\u2019ny andro nivorian\u2019ny vahoaka. Dia nomen\u2019i Jehovah ahy ireo takela-bato ireo.",
"5": "Dia lasa aho avy eo nidina an\u2019ilay tendrombohitra. Napetrako tao anatin\u2019ilay vata nataoko ireo takela-bato ireo, ary mbola ao foana ireo, araka ny didy nomen\u2019i Jehovah ahy.",
"6": "\u201cNiala tany Berota Bene-jakana ny Israelita avy eo ka nankany Mosera. Tao no nahafatesan\u2019i Arona sy nandevenana azy. I Eleazara zanany indray no lasa nanao ny asan\u2019ny mpisorona nandimby azy.",
"7": "Dia niala tao ny Israelita ka nankany Godgoda, ary avy tao indray dia nankany Jotbata, tany be\u00a0renirano mikoriana.",
"8": "\u201cTamin\u2019izay fotoana izay, dia natokan\u2019i Jehovah ny fokon\u2019i Levy mba hilanja ny Vata misy ny fifanekena nataon\u2019i Jehovah, sy hanompo eo anatrehan\u2019i Jehovah, ary hitso-drano amin\u2019ny anarany, hoatr\u2019izao ataon\u2019izy ireo androany izao.",
"9": "Izany no mahatonga an\u2019i Levy tsy hanana anjara na lova miaraka amin\u2019ny rahalahiny. Fa i Jehovah no lovany, araka ny efa nolazain\u2019i Jehovah Andriamanitrao taminy.",
"10": "Fa izaho indray nijanona teny amin\u2019ilay tendrombohitra 40\u00a0andro sy 40\u00a0alina, hoatran\u2019ilay tamin\u2019ny voalohany. Nihaino ahy koa i Jehovah tamin\u2019izay, dia lasa tsy te handringana anao i Jehovah.",
"11": "Dia hoy i Jehovah tamiko: \u2018Mandehana eo alohan\u2019ny vahoaka dia miom\u00e0na ianareo hiainga. Amin\u2019izay izy ireo dia hiditra ao amin\u2019ilay tany efa nianianako tamin\u2019ny razambeny hoe homena azy, ka haka an\u2019ilay izy.\u2019",
"12": "\u201cFa inona moa no angatahin\u2019i Jehovah Andriamanitrao aminao, ry Israely\u00a0\u00f4? Izao ihany: Matahotra an\u2019i Jehovah Andriamanitrao, manaraka ny lalana rehetra atorony, tia azy, manompo an\u2019i Jehovah Andriamanitrao amin\u2019ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo,",
"13": "ary mankat\u00f2 ny didin\u2019i Jehovah sy ny lal\u00e0ny andidiako anao anio, mba hahasoa anao.",
"14": "An\u2019i Jehovah Andriamanitrao ny lanitra, dia ny lanitry ny lanitra, sy ny tany ary ny zavatra rehetra eto ambonin\u2019ny tany.",
"15": "Ny razambenao ihany anefa no nifandraisan\u2019i Jehovah akaiky sy notiaviny. Ary tamin\u2019ny firenena rehetra dia ny taranany, izany hoe ianareo, no nofidiny, hoatr\u2019izao androany izao.",
"16": "Koa diovy ny fonareo, ary aza mafy loha be hoatr\u2019izao intsony.",
"17": "Fa Andriamanitry ny andriamanitra sy Tompon\u2019ny tompo i Jehovah Andriamanitrareo. Andriamanitra tena miavaka sy mahery ary mendrika hatahorana izy, sady tsy mba miangatra amin\u2019iza na iza na mandray kolikoly.",
"18": "Manome rariny ho an\u2019ny kamboty ray sy ny mpitondratena izy, sady tia vahiny ka manome azy sakafo sy akanjo.",
"19": "Tiavo koa ny vahiny, satria efa mba vahiny tany Ejipta ihany ianao.",
"20": "\u201cI Jehovah Andriamanitrao no tokony hatahoranao, izy no tokony hotompoinao, izy no tokony hifikiranao, ary amin\u2019ny anarany ianao no tokony hianiana.",
"21": "Izy no tokony hoderainao. Izy no Andriamanitrao, ilay nanao an\u2019ireny zavatra miavaka sy mahagaga rehetra ireny ho anao, dia ireny efa hitan\u2019ny masonao ireny.",
"22": "Fa 70 fotsiny ny razambenareo rehefa nidina nankany Ejipta, nefa izao ianareo efa nataon\u2019i Jehovah Andriamanitrareo lasa be dia be hoatran\u2019ny kintana eny amin\u2019ny lanitra."
},
"11": {
"1": "\u201cTiavo i Jehovah Andriamanitrareo, ary ataovy foana izay takiny aminareo, dia araho foana ny lal\u00e0ny sy ny didim-pitsarany ary ny didiny.",
"2": "Fantatrareo fa miteny aminareo aho izao, fa tsy amin\u2019ny zanakareo izay tsy nahalala sady tsy nahita ny famaizan\u2019i Jehovah Andriamanitrareo na ny heriny lehibe, na ny tanany matanjaka, na ny sandriny mahery.",
"3": "Ny zanakareo koa tsy nahita ny famantarana sy ny zavatra nataony tany Ejipta, dia izay nataony tamin\u2019i Farao mpanjakan\u2019i Ejipta sy ny taniny manontolo,",
"4": "na ny nataony tamin\u2019ny tafik\u2019i Ejipta sy ny soavalin\u2019i Farao ary ny kalesy fitondrany miady, izay difotry ny Ranomasina Mena rehefa nanenjika anareo. Naringan\u2019i Jehovah indray mandeha tsy miverina izy ireo.",
"5": "Tsy hitan\u2019izy ireo ny nataon\u2019Andriamanitra ho anareo tany an-tany efitra, mandra-pahatonganareo teto amin\u2019ity toerana ity.",
"6": "Tsy hitan\u2019izy ireo koa ny nataony tamin\u2019i Datana sy Abirama zanak\u2019i Eliaba taranak\u2019i Robena, rehefa nisokatra ny tany ka nitelina azy niaraka tamin\u2019ny ankohonany sy ny tranolainy ary izay rehetra nanaraka azy, teo imason\u2019ny Israely rehetra.",
"7": "Ny masonareo kosa no nahita ny asa lehibe rehetra nataon\u2019i Jehovah.",
"8": "\u201cTandremo ny didy rehetra omeko anareo anio, mba ho lasa mahery ianareo ka hiampita any amin\u2019ilay tany halainareo ho anareo.",
"9": "Amin\u2019izay ianareo dia ho ela velona eo amin\u2019ilay tany izay nianianan\u2019i Jehovah hoe homena ny razambenareo sy ny taranany, dia tany tondra-dronono sy tantely.",
"10": "\u201cIlay tany efa halainareo, dia tsy hoatran\u2019i Ejipta, izay tany nialanareo. Tany Ejipta mantsy ianareo namafy voa sy nampiditra rano tamin\u2019ny tongotrareo, tahaka ny fanao amin\u2019ny zaridaina fambolena legioma.",
"11": "Ilay tany halehanareo sy halainareo er\u1ef3 ampita kosa, dia tany be tendrombohitra sy tany lemaka sady be orana avy any an-danitra.",
"12": "Tany voakarakaran\u2019i Jehovah Andriamanitrareo tsara io tany io. Eo amin\u2019izy io foana ny mason\u2019i Jehovah Andriamanitrareo, hatramin\u2019ny fiandohan\u2019ny taona ka hatramin\u2019ny faran\u2019ny taona.",
"13": "\u201cAry raha mankat\u00f2 an-tsakany sy an-davany ny didy izay andidiako anareo anio ianareo, ka tia an\u2019i Jehovah Andriamanitrareo sy manompo azy amin\u2019ny fonareo manontolo sy ny tenanareo manontolo,",
"14": "dia handatsaka orana ara-potoana eo amin\u2019ny taninareo izy, dia oram-pararano sy oran-dohataona. Dia hanangona ny varimbazahanareo sy ny divay vaovao ary ny menakareo ianareo.",
"15": "Hampaniry zavamaniry ho an\u2019ny biby fiompinareo eny amin\u2019ny sahanareo koa izy, ary hihinan-kanina ianareo ka ho voky.",
"16": "Tandremo anefa ny fonareo sao avelanareo ho voafitaka, ka ho voatarika hanompo andriamani-kafa sy hiankohoka eo anatrehany.",
"17": "Fa raha manompo andriamani-kafa ianareo, dia ho tezitra be aminareo i Jehovah. Dia hanidy ny lanitra izy mba tsy hisy orana, ka tsy hahavokatra ny tany. Tsy ho ela koa dia ho ripaka eo amin\u2019ilay tany tsara homen\u2019i Jehovah anareo ianareo.",
"18": "\u201cAtaovy milentika tsara ao am-ponareo sy ao an-tsainareo ireo teniko ireo. Dia afatory eo amin\u2019ny tananareo izany mba ho fampahatsiahivana ho anareo, ka ataovy fehiloha eo amin\u2019ny handrinareo.",
"19": "Ampianaro ny zanakareo koa izany, ary resaho na rehefa mipetraka ao an-tranonareo ianareo, na mandeha eny an-dalana, na hatory, na mifoha.",
"20": "Soraty eo amin\u2019ny tol\u00e0m-baravaran\u2019ny tranonareo sy eo amin\u2019ny vavahadinareo izany,",
"21": "mba ho ela velona ianareo sy ny taranakareo eo amin\u2019ilay tany izay nianianan\u2019i Jehovah hoe homena ny razambenareo, raha mbola maharitra ambonin\u2019ny tany koa ny lanitra.",
"22": "\u201cRaha manaraka an-tsakany sy an-davany an\u2019ity didy omeko anareo ity ianareo sady mankat\u00f2 an\u2019izany, ka tia an\u2019i Jehovah Andriamanitrareo sy mandeha amin\u2019ny lalana rehetra atorony ary mifikitra aminy,",
"23": "dia horoahin\u2019i Jehovah hiala eo anatrehanareo ireo firenena rehetra ireo. Handresy firenena lehibe sady maro an\u2019isa noho ianareo koa ianareo.",
"24": "Ho lasanareo ny toerana rehetra handehanan\u2019ny tongotrareo. Ary hanomboka any an-tany efitra ka hatrany Lib\u00e0na ny sisin-taninareo, ary hanomboka any amin\u2019ny Renirano, izany hoe ny reniranon\u2019i Eofrata, ka hatrany amin\u2019ny ranomasina andrefana.",
"25": "Tsy hisy hahavita hanohitra anareo. Fa hataon\u2019i Jehovah Andriamanitrareo mihorohoro sy matahotra anareo ny mponina ao amin\u2019ilay tany manontolo handehananareo, araka ny nampanantenainy anareo.",
"26": "\u201cOmeko safidy \u00e0ry ianareo anio hoe fitahiana sa ozona:",
"27": "Fitahiana raha mankat\u00f2 ny didin\u2019i Jehovah Andriamanitrareo izay andidiako anareo anio ianareo,",
"28": "ary ozona kosa raha tsy mankat\u00f2 ny didin\u2019i Jehovah Andriamanitrareo ianareo, fa miala amin\u2019ny lalana atoroko anareo anio ka manompo andriamani-kafa tsy fantatrareo.",
"29": "\u201cRehefa ampidirin\u2019i Jehovah Andriamanitrareo ao amin\u2019ilay tany halainareo ianareo, dia ton\u00f2ny eo amin\u2019ny Tendrombohitra Gerizima ilay fitahiana, ary eo amin\u2019ny Tendrombohitra Ebala kosa ilay ozona.",
"30": "Eny ampitan\u2019i Jordana eny andrefana ireo tendrombohitra ireo, dia ao amin\u2019ny tanin\u2019ny Kananita mipetraka any Araba tandrifin\u2019i Gilgala, eny akaikin\u2019ny hazobe ao More.",
"31": "Fa efa hiampita an\u2019i Jordana ianareo izao, ka hiditra ao amin\u2019ilay tany homen\u2019i Jehovah Andriamanitrareo anareo. Rehefa maka an\u2019ilay izy ho anareo ianareo ka mipetraka ao,",
"32": "dia araho tsara ny fitsipika sy ny didim-pitsarana rehetra omeko anareo anio."
},
"12": {
"1": "\u201cIreto avy ny fitsipika sy didim-pitsarana tokony harahinareo tsara mandritra ny androm-piainanareo, any amin\u2019ilay tany homen\u2019i Jehovah Andriamanitry ny razambenareo ho fanananareo:",
"2": "Handresy firenena maro ianareo, ka tokony horavanareo tanteraka ny toerana rehetra anompoany ny andriamaniny, na eny amin\u2019ny tendrombohitra avo izany, na eny amin\u2019ny havoana, na eny ambanin\u2019ny hazo midoroboka rehetra.",
"3": "Arodano ny alitarany, potipoteho ny tsangambatony masina, dory ny tsato-kazony masina, ary kapao ny sary sokitra ataony andriamanitra, ka foano tanteraka eo amin\u2019ilay toerana ny anaran\u2019ireny andriamaniny ireny.",
"4": "\u201cRehefa manompo an\u2019i Jehovah Andriamanitrareo ianareo, dia aza manao hoatran\u2019ny fanaon\u2019izy ireo.",
"5": "Mandehana kosa any amin\u2019izay toerana fidin\u2019i Jehovah Andriamanitrareo eo amin\u2019ny fokonareo rehetra mba hametrahana ny anarany sy honenany, dia any ianareo no hanompo azy.",
"6": "Any ianareo no tokony hanatitra ny fanatitra dorana, ny sorona, ny ampahafolon-karena, ny fanomezana avy aminareo, ny fanatitra fanefana voady, ny fanatitra an-tsitrapo, ary ny voalohan-teraky ny omby aman\u2019ondrinareo.",
"7": "Dia any ianareo sy ny ankohonanareo no hihinana eo anatrehan\u2019i Jehovah Andriamanitrareo sy hifaly amin\u2019izay rehetra hataonareo, satria efa notahin\u2019i Jehovah Andriamanitrareo ianareo.",
"8": "\u201cAza manao hoatr\u2019izao ataontsika izao intsony, hoatr\u2019izao samy manao izay saim-pantany izao,",
"9": "satria ianareo mbola tsy tonga any amin\u2019ny toerana hipetrahanareo sy any amin\u2019ilay lova homen\u2019i Jehovah Andriamanitrareo anareo.",
"10": "Rehefa miampita an\u2019i Jordana ianareo ka mipetraka ao amin\u2019ilay tany homen\u2019i Jehovah Andriamanitrareo ho fanananareo, dia harovany amin\u2019ny fahavalonareo rehetra manodidina anareo ianareo, ka hiadana sy hilamina.",
"11": "Dia hoentinareo any amin\u2019izay toerana fidin\u2019i Jehovah Andriamanitrareo hametrahana ny anarany ny zavatra rehetra asaiko entinareo, dia ny fanatitra dorana, ny sorona, ny ampahafolon-karena, ny fanomezana avy aminareo, ary izay fanatitra fidinareo hanefana ny voady hataonareo amin\u2019i Jehovah.",
"12": "Hifaly eo anatrehan\u2019i Jehovah Andriamanitrareo ianareo sy ny zanakareo lahy, ny zanakareo vavy, ny mpanompolahinareo, ny mpanompovavinareo, ary ny Levita ao an-tan\u00e0nanareo, satria ny Levita tsy mba manana anjara na lova eo aminareo.",
"13": "Tandremo sao any amin\u2019izay toeran-kafa tianareo ianareo no manolotra fanatitra dorana.",
"14": "Eo amin\u2019ilay toerana fidin\u2019i Jehovah ao amin\u2019ny tanin\u2019ny foko anankiray aminareo ihany ianareo no tokony hanolotra fanatitra dorana. Eo koa ianareo no tokony hanao an\u2019izay rehetra andidiako anareo.",
"15": "\u201cIsaky ny te hihinan-kena anefa ianao, dia mahazo mamono biby ka mihinana ny henany, arakaraka ny fitahian\u2019i Jehovah Andriamanitrao anao ao an-tan\u00e0nanao. Mahazo mihinana an\u2019ilay hena ny olona maloto sy ny olona madio, hoatran\u2019ny mihinana gazela na serfa ihany.",
"16": "Aza hanina anefa ny rany. Tokony hararakao amin\u2019ny tany toy ny rano ilay izy.",
"17": "Tsy ho azonao hanina ao an-tan\u00e0nanao ny ampahafolon\u2019ny varimbazaha sy divay vaovao ary menaka atolotrao, na ny voalohan-teraky ny omby aman\u2019ondrinao, na izay fanatitra hanefanao voady, na ny fanatitra an-tsitrapo, na ny fanomezana avy aminao.",
"18": "Fa eo anatrehan\u2019i Jehovah Andriamanitrao, eo amin\u2019ilay toerana hofidin\u2019i Jehovah Andriamanitrao, ianao no tsy maintsy hihinana an\u2019izany, dia ianao sy ny zanakao lahy, ny zanakao vavy, ny mpanompolahinao, ny mpanompovavinao, ary ny Levita ao an-tan\u00e0nanao. Dia hifaly eo anatrehan\u2019i Jehovah Andriamanitrao ianao amin\u2019izay rehetra hataonao.",
"19": "Tandremo sao ataonao tsirambina ny fikarakarana ny Levita, raha mbola velona koa ianao ao amin\u2019ny taninao.",
"20": "\u201cRehefa itarin\u2019i Jehovah Andriamanitrao ny taninao, araka ny efa nampanantenainy anao, ka te hihinan-kena ianao, dia mahazo mihinan-kena ianao isaky ny te hihinana.",
"21": "Raha lavitra be anao ilay toerana fidin\u2019i Jehovah Andriamanitrao hametrahana ny anarany, dia hamono omby na ondry avy amin\u2019ny omby aman\u2019ondry nomen\u2019i Jehovah anao ianao, araka ny didy nomeko anao, ka ao an-tan\u00e0nanao ianao no tokony hihinana an\u2019ilay izy, isaky ny te hihinana.",
"22": "Azonao hanina hoatran\u2019ny mihinana gazela sy serfa ilay izy. Mahazo mihinana an\u2019ilay izy daholo na ny olona maloto na ny olona madio.",
"23": "Fa izao fotsiny: Tokony ho tapa-kevitra ny tsy hihinana ra mihitsy ianao, satria ny ra no aina, ka aza mihinana aina miaraka amin\u2019ny hena.",
"24": "Aza mihinana ra, fa araraho amin\u2019ny tany toy ny rano izany.",
"25": "Aza mihinana an\u2019izany, dia amin\u2019izay handeha tsara ny fiainanao sy ny an\u2019ny zanakao, satria manao izay tsara eo imason\u2019i Jehovah ianao.",
"26": "Ny zava-masina hatolotrao sy ny fanatitra hanefanao voady ihany no azonao entina, rehefa mankany amin\u2019ilay toerana fidin\u2019i Jehovah ianao.",
"27": "Any ianao no hanolotra ny fanatitra dorana, dia ny hena sy ny ra, eo amin\u2019ny alitaran\u2019i Jehovah Andriamanitrao. Dia araraho eo anilan\u2019ny alitaran\u2019i Jehovah Andriamanitrao ny ran\u2019ny sorona hoentinao, fa ny henany kosa azonao hanina.",
"28": "\u201cAnkatoavy tsara daholo ireo teny rehetra andidiako anao ireo. Amin\u2019izay dia handeha tsara foana ny fiainanao sy ny an\u2019ny taranakao, satria manao izay tsara sy mety eo imason\u2019i Jehovah Andriamanitrao ianao.",
"29": "\u201cHaringan\u2019i Jehovah Andriamanitrao ireo firenena ho resinao, ary hipetraka ao amin\u2019ny taniny ianao.",
"30": "Tandremo anefa sao voafandrika hanaraka ny fanaon-dry zareo ianao, rehefa aringan\u2019Andriamanitra tsy ho eo anatrehanao ry zareo. Aza manontanintany momba ny andriamaniny, hoe: \u2018Mba ahoana \u00e0ry no fanaon\u2019ireo firenena ireo rehefa manompo ny andriamaniny ry zareo? Mba hanao hoatr\u2019izany koa aho.\u2019",
"31": "Rehefa manompo an\u2019i Jehovah Andriamanitrareo kosa ianareo, dia aza manao hoatran\u2019ny fanaon-dry zareo. Zavatra maharikoriko an\u2019i Jehovah sy halany daholo mantsy no ataon-dry zareo amin\u2019ny andriamaniny, fa na ny zanany lahy sy ny zanany vavy aza dorany ao anaty afo ho an\u2019ny andriamaniny.",
"32": "Araho tsara daholo izay rehetra teneniko aminareo. Aza anampiana izany na analana."
},
"13": {
"1": "\u201cRaha misy mpaminany eo aminareo, na olona milaza ny hoavy amin\u2019ny alalan\u2019ny nofy, ka manome famantarana na fambara,",
"2": "ary tanteraka ilay famantarana na fambara nolazainy, sady miteny izy hoe: \u2018Andao isika hanaraka andriamanitra hafa, andriamanitra mbola tsy fantatrao, ary andao hanompo azy\u2019,",
"3": "dia aza mihaino an\u2019izany mpaminany na mpanonofy izany. Mitsapa anareo mantsy i Jehovah Andriamanitrareo, mba hahalalany raha tia an\u2019i Jehovah Andriamanitrareo amin\u2019ny fonareo manontolo sy ny tenanareo manontolo ianareo.",
"4": "I Jehovah Andriamanitrareo no tokony harahinareo, ary izy no tokony hatahoranareo. Ny didiny no tokony hankatoavinareo, ary ny feony no tokony hohenoinareo. Izy no tokony hotompoinareo sy hifikiranareo.",
"5": "Tokony hovonoina ho faty kosa izany mpaminany na mpanonofy izany. Izy mantsy nitaona anareo hikomy tamin\u2019i Jehovah Andriamanitrareo, ilay Andriamanitra nitondra anareo nivoaka avy tany Ejipta, sy nanavotra anareo avy tany amin\u2019ny toerana nanandevozana anareo. Nitaona anareo hiala amin\u2019ilay lalana nasain\u2019i Jehovah Andriamanitrareo haleha koa izy. Esory tsy ho eo aminareo ny ratsy.",
"6": "\u201cRaha mitady hitaona anao mangingina ny rahalahinao zanaky ny reninao, na ny zanakao lahy, na ny zanakao vavy, na ny vady malalanao, na ny namana tena akaiky anao, ka miteny hoe: \u2018Andao hanompo andriamani-kafa\u2019, izay andriamanitra tsy fantatrao sady tsy fantatry ny razambenao,",
"7": "ary andriamanitry ny firenena manodidina anao, na akaiky na lavitra, hatrany amin\u2019ny faran\u2019ilay tany,",
"8": "dia aza manaiky azy na mihaino azy. Aza miantra azy, na mangoraka azy, na miaroaro azy,",
"9": "fa tsy maintsy hovonoinao ho faty izy. Ny tananao mihitsy no tokony hamono azy voalohany, dia izay vao ny tanan\u2019ny olona rehetra.",
"10": "Torahy vato izy ho faty, satria nitady hampiala anao amin\u2019i Jehovah Andriamanitrao, ilay nitondra anao nivoaka avy tany Ejipta, avy tany amin\u2019ny toerana nanandevozana anao.",
"11": "Dia haheno an\u2019izany ny Israely rehetra ka hatahotra, dia tsy hisy hanao zava-dratsy hoatr\u2019izany intsony eo aminareo.",
"12": "\u201cRaha sendra henonao ao amin\u2019ny iray amin\u2019ny tan\u00e0na homen\u2019i Jehovah Andriamanitrao anao hoe:",
"13": "\u2018Misy olona tsy misy ilana azy eo aminareo, ka tarihiny hivadika amin\u2019Andriamanitra ny olona ao an-tan\u00e0nany hoe: \u201cAndao hanompo andriamani-kafa\u201d, izay andriamanitra tsy fantatrao\u2019,",
"14": "dia hamotopototra sy hanadihady tsara ianao, sady hanontany. Raha voaporofo fa misy an\u2019izany zava-maharikoriko izany tokoa eo aminareo,",
"15": "dia tsy maintsy hovonoinao amin\u2019ny sabatra ny mponin\u2019izany tan\u00e0na izany. Aringano tanteraka amin\u2019ny sabatra ilay tan\u00e0na sy izay rehetra ao aminy ary ny biby fiompiny.",
"16": "Avy eo dia angony eo afovoan\u2019ny tany malalaky ny tan\u00e0na ny zava-drehetra nobaboina tao, ary dory ilay tan\u00e0na. Dia ho fanatitra ho an\u2019i Jehovah Andriamanitrao ny zavatra nobaboina tao, ka hodorana manontolo. Ho lasa korontam-bato mivangongo mandrakizay ilay tan\u00e0na, ary tsy tokony haorina intsony.",
"17": "Aza maka amin\u2019ny zavatra efa voatokana haringana. Amin\u2019izay tsy ho tezitra be aminao i Jehovah, fa hamindra fo aminao ka hiantra anao, dia hataony lasa be dia be ianao, araka izay nianianany tamin\u2019ny razambenao.",
"18": "Tokony hankat\u00f2 an\u2019i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hanaraka ny didiny rehetra andidiako anao anio, izany hoe hanao izay tsara eo imason\u2019i Jehovah Andriamanitrao."
},
"14": {
"1": "\u201cZanak\u2019i Jehovah Andriamanitrareo ianareo. Aza didididiana ny vatanareo, ary aza haratana ny volomasonareo, rehefa misy maty.",
"2": "Fa vahoaka masina ianareo amin\u2019i Jehovah Andriamanitrareo, ary nofidin\u2019i Jehovah avy tamin\u2019ny firenena rehetra et\u1ef3 ambonin\u2019ny tany, mba ho vahoakany sy ho fananany manokana.",
"3": "\u201cAza mihinana zava-maharikoriko, na inona izany na inona.",
"4": "Ireto avy ny biby azonareo hanina: Omby, ondry, osy,",
"5": "serfa, gazela, serfa\u00a0kely, osidia, antilopa, ondridia, ary ondry mpianika tendrombohitra.",
"6": "Azonareo hanina izay biby mandinika rehetra mivaky kitro, izany hoe misaraka roa tsara ny kitrony.",
"7": "Tsy azonareo hanina kosa ireto biby ireto, satria mandinika na mivaky kitro fotsiny: Ny rameva sy ny bitrodia ary ny bitrom-bato, satria mandinika ireny, saingy tsy mivaky kitro. Maloto aminareo ireny.",
"8": "Toy izany koa ny kisoa, satria mivaky kitro ireny, saingy tsy mandinika. Maloto aminareo ireny. Aza hanina ny henany, ary aza kasihina ny fatiny.",
"9": "\u201cIzao no azonareo hanina amin\u2019izay rehetra any anaty rano: Izay rehetra misy vombony sy kirany no azonareo hanina.",
"10": "Tsy azonareo hanina kosa izay rehetra tsy misy vombony sy kirany. Maloto aminareo ireny.",
"11": "\u201cAzonareo hanina ny vorona madio rehetra.",
"12": "Tsy azonareo hanina kosa ireto: Ny voromahery, ny hitsikitsika mpihinan-trondro, ny vaotoro mainty,",
"13": "ny papango mena, ny papango mainty, ny karazana papango rehetra,",
"14": "ny karazana goaika rehetra,",
"15": "ny aotirisy, ny vorondolo, ny varevaka, ny karazana hitsikitsika lehibe rehetra,",
"16": "ny vorondolo\u00a0kely, ny vorondolo lava\u00a0sofina, ny gisa mpanidina,",
"17": "ny gisandrano, ny vaotoro, ny sakaizamboay,",
"18": "ny vanobe, ny karazana vano rehetra, ny takodara, ary ny ramanavy.",
"19": "Ny bibikely rehetra manana elatra sady mifanaretsaka koa dia maloto aminareo, ka tsy tokony hohanina.",
"20": "Azonareo hanina kosa ny biby manidina rehetra izay madio.",
"21": "\u201cAza mihinana biby maty ho azy. Fa vahoaka masina ianao amin\u2019i Jehovah Andriamanitrao. Azonao omena ny vahiny mipetraka ao an-tan\u00e0nanao anefa ilay izy, ka azony hanina. Azo amidy amin\u2019ny hafa firenena koa ilay izy. \u201cAza mahandro zanak\u2019osy amin\u2019ny rononon-dreniny.",
"22": "\u201cTsy maintsy manome ny ampahafolon\u2019ny vokatra rehetra avy amin\u2019ny voa nafafinao ianao, dia izay vokatry ny saha isan-taona.",
"23": "Eo anatrehan\u2019i Jehovah Andriamanitrao ianao no hihinana ny ampahafolon\u2019ny varimbazahanao sy ny divainao vaovao sy ny menakao, ary ny voalohan-teraky ny omby aman\u2019ondrinao, any amin\u2019izay toerana fidiny hametrahana ny anarany. Amin\u2019izay ianao hianatra hatahotra an\u2019i Jehovah Andriamanitrao foana.",
"24": "\u201cRaha lavitra loatra anefa ny lalana halehanao, ka tsy vitanao ny mitondra an\u2019ireny any amin\u2019ny toerana hofidin\u2019i Jehovah Andriamanitrao hametrahana ny anarany satria lavitra be anao ilay toerana\u2014hitahy anao mantsy i Jehovah Andriamanitrao\u2014",
"25": "dia azonao avadika ho vola ireny, ka mandehana any amin\u2019ilay toerana hofidin\u2019i Jehovah Andriamanitrao, ary ento ny volanao.",
"26": "Azonao vidina amin\u2019ilay vola izay rehetra irinao na omby, na ondry, na osy, na divay, na toaka, na izay zavatra tianao. Hihinana an\u2019izany eo anatrehan\u2019i Jehovah ianao any, ary hifaly ianao sy ny ankohonanao.",
"27": "Aza atao tsirambina ny fikarakarana ny Levita ao an-tan\u00e0nanao, satria izy tsy mba manana anjara na lova eo aminao.",
"28": "\u201cIsaky ny telo taona, dia tokony hoentinao daholo ny ampahafolon\u2019ny vokatra azonao amin\u2019ilay taona fahatelo, ka hapetrakao ao an-tan\u00e0nanao.",
"29": "Dia ho tonga eo ny Levita satria tsy mba manana anjara na lova eo aminao izy. Ho tonga eo koa ny vahiny sy ny kamboty ray ary ny mpitondratena ao an-tan\u00e0nanao, dia hihinana ka ho voky. Amin\u2019izay ianao hotahin\u2019i Jehovah Andriamanitrao amin\u2019izay rehetra hataonao."
},
"15": {
"1": "\u201cIsaky ny fito taona, dia tokony hahafoy an\u2019izay trosa anananao amin\u2019olona ianao,",
"2": "ka hoatr\u2019izao no hatao: Hamoy an\u2019izay trosa ananany any amin\u2019ny namany ny tompon-trosa rehetra. Tsy hasainy handoa an\u2019izany ny namany na ny rahalahiny, satria ho efa natao antso avo hoe afoy ny trosa rehetra ho voninahitr\u2019i Jehovah.",
"3": "Afaka mitaky trosa amin\u2019ny hafa firenena anefa ianao, fa tokony hafoinao kosa izay rehetra anananao any amin\u2019ny rahalahinao.",
"4": "Na izany aza, dia tsy tokony hisy ho lasa mahantra eo aminao, satria tena hotahin\u2019i Jehovah ianao ao amin\u2019ilay tany homen\u2019i Jehovah Andriamanitrao anao mba ho lovanao.",
"5": "Tsy hotahiny anefa ianao raha tsy mankat\u00f2 an-tsakany sy an-davany an\u2019i Jehovah Andriamanitrao, sady tsy manaraka tsara ny didy rehetra omeko anao androany.",
"6": "Hitahy anao mantsy i Jehovah Andriamanitrao, araka ny efa nampanantenainy anao. Hampindrana zavatra amin\u2019ny firenena be dia be ianao, fa ianao kosa tsy mba hindrana. Hifehy firenena maro ianao, fa ireny kosa tsy mba hifehy anao.",
"7": "\u201cRaha misy lasa mahantra ny rahalahinao ao amin\u2019ny tan\u00e0nanao anankiray, ao amin\u2019ilay tany homen\u2019i Jehovah Andriamanitrao anao, dia aza mafy fo na kahihitra amin\u2019ilay rahalahinao mahantra.",
"8": "Fa tena tokony halala-tanana aminy ianao, ka hampindrana azy an\u2019izay ilainy na izay tsy ananany.",
"9": "Tandremo sao ataonao ao am-ponao foana izao eritreri-dratsy izao: \u2018Efa akaiky izao ny taona fahafito, ilay taona hamelana trosa!\u2019 Dia lasa tsy malala-tanana amin\u2019ilay rahalahinao mahantra ianao, ka tsy manome azy na inona na inona. Koa raha mitaraina amin\u2019i Jehovah momba anao izy, dia ho fahotana ho anao izany.",
"10": "Tokony halala-tanana ianao ka hanome azy amin\u2019ny fonao. Izany mantsy no mahatonga an\u2019i Jehovah Andriamanitrao hitahy an\u2019izay ataonao sy ny asanao rehetra.",
"11": "Fa hisy mahantra foana ao amin\u2019ilay tany. Izany no mahatonga ahy handidy anao hoe: \u2018Tena tokony halala-tanana amin\u2019ny rahalahinao mijaly sy mahantra ao amin\u2019ny taninao ianao.\u2019",
"12": "\u201cRaha nivarotra ny tenany taminao ny rahalahinao anankiray, na lehilahy hebreo izy na vehivavy hebreo, ka efa nanompo anao enin-taona, dia tokony hafahanao izy amin\u2019ny taona fahafito.",
"13": "Aza alefa tanam-polo izy rehefa manafaka azy ianao.",
"14": "Tena tokony halala-tanana aminy ianao ka omeo amin\u2019ny ondry aman\u2019osinao izy, sady omeo amin\u2019ny vokatrao avy eny am-pamoloana sy amin\u2019ny menaka avy amin\u2019ny famiazan\u2019olivanao ary amin\u2019ny divay avy amin\u2019ny famiazam-boalobokao. Arakaraka ny fitahiana nomen\u2019i Jehovah Andriamanitrao anao no tokony hanomezanao azy.",
"15": "Tadidio fa andevo tany Ejipta ianao, ary navotan\u2019i Jehovah Andriamanitrao. Izany no antony andidiako anao anio mba hanao an\u2019izany.",
"16": "\u201cRaha miteny aminao anefa izy hoe: \u2018Izaho tsy hiala ato aminao!\u2019 satria tiany ianao sy ny ankohonanao ary nahafinaritra azy ny tao aminareo,",
"17": "dia mak\u00e0 haolo ka teveho amin\u2019iny eo amin\u2019ny varavarana ny sofiny. Dia ho lasa mpanomponao mandra-pahafatiny izy. Hoatr\u2019izany koa atao raha vehivavy ilay mpanompo.",
"18": "Aza mieritreritra hoe voa mafy ianao raha manafaka azy dia lasa izy, satria raha nokaramainao izy hatramin\u2019izay nanompoany anao enin-taona izay, dia ho indroan\u2019ny karaman\u2019ny mpiasa anankiray ny karamany. I Jehovah Andriamanitrao koa efa nitahy anao tamin\u2019ny zavatra rehetra.",
"19": "\u201cHamasino ho an\u2019i Jehovah Andriamanitrao izay lahy voalohan-teraka rehetra amin\u2019ny omby aman\u2019ondrinao. Aza ampiasaina izay voalohan-teraky ny biby fiompinao, ary aza hetezana ny volon\u2019izay voalohan-teraka amin\u2019ny ondry aman\u2019osinao.",
"20": "Tokony hohaninao sy ny ankohonanao eo anatrehan\u2019i Jehovah Andriamanitrao isan-taona izany, any amin\u2019ny toerana hofidin\u2019i Jehovah.",
"21": "Aza atao sorona ho an\u2019i Jehovah Andriamanitrao anefa ilay biby raha manan-takaitra, izany hoe raha malemy tongotra na jamba, na manana takaitra hafa ratsy\u00a0be.",
"22": "Ao an-tan\u00e0nanao ianao no hihinana an\u2019ilay izy, ary mahazo mihinana daholo na ny olona maloto na ny olona madio, hoatran\u2019ny rehefa mihinana gazela na serfa ihany.",
"23": "Aza hanina anefa ny rany, fa araraho amin\u2019ny tany toy ny rano."
},
"16": {
"1": "\u201cTsarovy foana ny volana Abiba ary ankalazao ny Paska ho an\u2019i Jehovah Andriamanitrao, satria tamin\u2019ny volana Abiba i Jehovah Andriamanitrao no nitondra anao nivoaka avy tany Ejipta, tamin\u2019ny andro alina.",
"2": "Any amin\u2019ilay toerana fidin\u2019i Jehovah hametrahana ny anarany ianao no tokony hamono ny biby hatao sorona hankalazana ny Paska ho an\u2019i Jehovah Andriamanitrao, dia biby avy amin\u2019ny ondry aman\u2019osy sy omby.",
"3": "Aza mihinana zavatra misy lalivay miaraka amin\u2019ilay izy. Mofo tsy misy lalivay no tokony hohaninao mandritra ny fito andro, hoatran\u2019ilay nohaninao tamin\u2019ianao niala haingana be tany Ejipta. Amin\u2019izay dia hotsaroanao ny fijalianao tany, ary tsy hohadinoinao mihitsy ilay andro nanafahana anao tany.",
"4": "Tsy tokony hahitana lalivay ao aminao, sy ao amin\u2019ny taninao rehetra, mandritra ny fito andro. Ary tsy tokony hisy hotehirizina mandra-paharainan\u2019ny andro ny hena hataonao sorona amin\u2019 ny harivan\u2019ny andro voalohany.",
"5": "Tsy izay tan\u00e0na homen\u2019i Jehovah Andriamanitrao anao dia azonao amonoana ny biby hatao fanatitra hankalazana ny Paska.",
"6": "Any amin\u2019ilay toerana fidin\u2019i Jehovah Andriamanitrao hametrahana ny anarany kosa ianao no tokony hanao an\u2019izany. Amin\u2019ny hariva vao maty masoandro ianao no tokony hamono an\u2019ilay biby hatao fanatitra hankalazana ny Paska, amin\u2019ny fotoana voatondro mifanitsy amin\u2019ilay fotoana nivoahanao avy tany Ejipta.",
"7": "Atonoy dia hano any amin\u2019ilay toerana hofidin\u2019i Jehovah Andriamanitrao ilay biby hatao sorona. Mahazo mody any amin\u2019ny tranolainao ianao avy eo, rehefa maraina.",
"8": "Enina andro ianao no tokony hihinana mofo tsy misy lalivay. Ary hisy fivoriambe makotrokotroka ho an\u2019i Jehovah Andriamanitrao amin\u2019ny andro fahafito. Koa aza manao asa, na inona izany na inona.",
"9": "\u201cHanisa fito herinandro ianao, dia hanomboka hanisa an\u2019ireo fito herinandro ireo, amin\u2019ny andro voalohany hampiasanao antsim-bary mba hijinjana ny vokatra eny an-tsaha.",
"10": "Dia ankalazao ho an\u2019i Jehovah Andriamanitrao ny Fetin\u2019ireo Herinandro, ka ento eny an-tananao ny fanatitra an-tsitrapo, arakaraka ny fitahiana omen\u2019i Jehovah Andriamanitrao anao.",
"11": "Ary hifaly eo anatrehan\u2019i Jehovah Andriamanitrao ianao, any amin\u2019ilay toerana fidin\u2019i Jehovah Andriamanitrao hametrahana ny anarany. Hifaly any koa ny zanakao lahy, ny zanakao vavy, ny mpanompolahinao, ny mpanompovavinao, ny Levita ao an-tan\u00e0nanao, ny vahiny, ny kamboty ray, ary ny mpitondratena eo aminao.",
"12": "Tadidio fa andevo tany Ejipta ianao, ka ankatoavy sy araho ireo fitsipika ireo.",
"13": "\u201cTokony hankalaza ny Fetin\u2019ny Trano Rantsankazo ianao mandritra ny fito andro, rehefa manangom-bokatra avy eny am-pamoloana sy avy amin\u2019ny famiazan\u2019olivanao sy ny famiazam-boalobokao.",
"14": "Ary hifaly mandritra ny fety ianao sy ny zanakao lahy, ny zanakao vavy, ny mpanompolahinao, ny mpanompovavinao, ny Levita, ny vahiny, ny kamboty ray, ary ny mpitondratena ao an-tan\u00e0nanao.",
"15": "Mandritra ny fito andro ianao no hankalaza an\u2019ilay fety ho an\u2019i Jehovah Andriamanitrao any amin\u2019ilay toerana fidin\u2019i Jehovah. Hotahin\u2019i Jehovah Andriamanitrao mantsy ny vokatrao rehetra sy izay rehetra ataonao, ka ho faly be ianao.",
"16": "\u201cIntelo isan-taona ny lehilahy rehetra eo aminao no hiseho eo anatrehan\u2019i Jehovah Andriamanitrao, any amin\u2019ilay toerana fidiny: Amin\u2019ny Fetin\u2019ny Mofo Tsy Misy Lalivay, sy ny Fetin\u2019ireo Herinandro, ary ny Fetin\u2019ny Trano Rantsankazo. Tsy tokony hisy hitondra tanam-polo rehefa mankeo anatrehan\u2019i Jehovah.",
"17": "Be dia be ny fitahiana omen\u2019i Jehovah Andriamanitrao anao, ka tokony ho arakaraka izany ny fanomezana hoentin\u2019ny tsirairay.",
"18": "\u201cManendre mpitsara sy mpifehy ny foko tsirairay ao amin\u2019ny tan\u00e0na rehetra homen\u2019i Jehovah Andriamanitrao anao. Ary hitsara araka ny rariny izy ireo.",
"19": "Aza mamadika ny rariny, na miangatra, na mandray kolikoly. Manajamba ny mason\u2019ny hendry sady mamadika ny tenin\u2019olo-marina mantsy ny kolikoly.",
"20": "Ny rariny ihany no tena tokony hataonao, mba ho velona ianao ka ho lasanao ilay tany homen\u2019i Jehovah Andriamanitrao anao.",
"21": "\u201cAza mamboly hazo hatao tsato-kazo masina eo akaikin\u2019ilay alitara ataonao ho an\u2019i Jehovah Andriamanitrao, na hazo inona izany na hazo inona.",
"22": "\u201cAza manao tsangambato masina ho anao koa, fa zavatra halan\u2019i Jehovah Andriamanitrao izany."
},
"17": {
"1": "\u201cAza atao sorona ho an\u2019i Jehovah Andriamanitrao ny omby na ondry manan-takaitra na misy kilema, satria maharikoriko an\u2019i Jehovah Andriamanitrao izany.",
"2": "\u201cAndeha hatao hoe misy lehilahy na vehivavy eo aminareo, ao amin\u2019ny iray amin\u2019ny tan\u00e0na homen\u2019i Jehovah Andriamanitrao anao, ka manao izay ratsy eo imason\u2019i Jehovah sady mivadika amin\u2019ny fifanekena nataon\u2019Andriamanitra.",
"3": "Dia lasa manompo andriamani-kafa izy ary miankohoka amin\u2019ireny, na amin\u2019ny masoandro, na amin\u2019ny volana na amin\u2019izay rehetra eny amin\u2019ny lanitra, nefa zavatra tsy mba nandidiako izany.",
"4": "Rehefa misy milaza aminao momba an\u2019izany, na henonao izany, dia tokony hanadihady tsara ianao. Raha voaporofo fa nisy nanao an\u2019izany zava-maharikoriko izany tokoa eo amin\u2019ny Israely,",
"5": "dia avoahy ho eny am-bavahadin\u2019ny tan\u00e0na ilay lehilahy na vehivavy nanao an\u2019izany zava-dratsy izany, ka torahy vato ho faty.",
"6": "Olona roa na telo no mijoro ho vavolombelona, vao azo vonoina ho faty ny olona mendrika ho faty. Tsy azo vonoina ho faty noho ny tenin\u2019ny vavolombelona iray ihany izy.",
"7": "Ny tanan\u2019ireo vavolombelona no hamono azy voalohany, dia izay vao ny tanan\u2019ny olona rehetra. Esory eo aminao ny ratsy.",
"8": "\u201cRaha misy raharaham-pitsarana sarotra loatra aminao ao amin\u2019ny iray amin\u2019ny tan\u00e0nanao, na momba ny fandatsahan-dra izany, na fampakarana raharaha any amin\u2019ny fitsarana, na herisetra, na fifandirana hafa, dia mandehana miakatra any amin\u2019ilay toerana fidin\u2019i Jehovah Andriamanitrao.",
"9": "Mankanesa any amin\u2019ny Levita mpisorona sy any amin\u2019ilay mpitsara miasa amin\u2019izany fotoana izany ka anontanio izy ireo, dia holazainy aminao ny didim-pitsarana.",
"10": "Dia tanteraho izay didim-pitsarana lazainy aminao eo amin\u2019ilay toerana fidin\u2019i Jehovah. Tanteraho tsara daholo izay asainy ataonao.",
"11": "Ankatoavy izay lal\u00e0na asehony anao sy izay didim-pitsarana lazainy aminao. Araho foana ny didim-pitsarana holazainy aminao, fa aza mivily miankavanana na miankavia.",
"12": "Hovonoina ho faty ny olona sahisahy ratsy ka tsy mihaino an\u2019ilay mpisorona manompo an\u2019i Jehovah Andriamanitrao, na tsy mihaino an\u2019ilay mpitsara. Esory eo amin\u2019ny Israely ny ratsy.",
"13": "Dia haheno an\u2019izany ny olona rehetra ka hatahotra, ary tsy ho sahisahy ratsy intsony.",
"14": "\u201cRehefa miditra ao amin\u2019ilay tany homen\u2019i Jehovah Andriamanitrao anao ianao, ary maka an\u2019ilay izy ho anao sady mipetraka ao, ka miteny hoe: \u2018Andeha aho hanendry mpanjaka hifehy ahy, hoatran\u2019ny ataon\u2019ny firenena rehetra manodidina ahy\u2019,",
"15": "dia izay mpanjaka fidin\u2019i Jehovah Andriamanitrao ihany no tsy maintsy hotendrenao hifehy anao. Olona avy amin\u2019ny rahalahinao no hotendrenao ho mpanjaka, fa tsy azonao tendrena hifehy anao ny hafa firenena tsy rahalahinao.",
"16": "Tsy tokony hampitombo ny isan\u2019ny soavaliny anefa izy, na handefa olona hiverina any Ejipta mba hahazoana soavaly betsaka kokoa. Niteny taminareo mantsy i Jehovah hoe: \u2018Aza miverina amin\u2019io lalana io intsony ianareo.\u2019",
"17": "Tsy tokony hanambady maro koa izy, sao ho voafitaka ny fony. Ary tsy tokony hanangona volafotsy sy volamena be dia be ho azy izy.",
"18": "Rehefa mipetraka eo amin\u2019ny seza fiandrianan\u2019ny fanjakany izy, dia tsy maintsy adikany ao anaty boky ity Lal\u00e0na ity, mba hampiasainy, ka ataony mitovy amin\u2019ilay Lal\u00e0na tehirizin\u2019ny Levita mpisorona ilay izy.",
"19": "\u201cHotehiriziny any aminy foana izy io, ary hovakiny amin\u2019ny andro rehetra iainany, mba hianarany hatahotra an\u2019i Jehovah Andriamaniny, sy hianarany hankat\u00f2 an\u2019izay rehetra voalazan\u2019io Lal\u00e0na io sy ireto fitsipika ireto.",
"20": "Amin\u2019izay dia tsy hanandra-tena ho ambony noho ny rahalahiny izy, fa hanaraka foana ny didy ka tsy hivily hiankavanana na hiankavia. Dia haharitra eo amin\u2019ny fitondrana izy ka hanjaka eo amin\u2019ny Israely izy sy ny taranany."
},
"18": {
"1": "\u201cTsy hahazo anjara na lova eo amin\u2019ny Israely ny Levita mpisorona, sy ny fokon\u2019i Levy manontolo mihitsy. Ny fanatitra atao anaty afo ho an\u2019i Jehovah no hohaniny, fa izany no lovany.",
"2": "Koa tsy tokony hahazo lova eo amin\u2019ny rahalahiny izy ireo, fa i Jehovah no lovany, araka izay noteneniny taminy.",
"3": "\u201cManan-jo hahazo an\u2019ireto avy amin\u2019ny vahoaka ny mpisorona rehefa misy manao sorona biby, na omby izany na ondry: Ny sorony sy ny vavany ary ny vavoniny.",
"4": "Omeo azy koa ny voaloham-bokatra amin\u2019ny varimbazahanao sy ny divainao vaovao sy ny menakao ary ny santatry ny volonondrinao vao avy nohetezana.",
"5": "Izy sy ny zanany mantsy no nofidin\u2019i Jehovah Andriamanitrao avy teo amin\u2019ny fokonao rehetra mba hanompo foana amin\u2019ny anaran\u2019i Jehovah.",
"6": "\u201cRaha misy Levita anankiray miala any amin\u2019ny tan\u00e0na nipetrahany, ao amin\u2019ny iray amin\u2019ny tan\u00e0nanao any Israely, ka te ho any amin\u2019izay toerana fidin\u2019i Jehovah,",
"7": "dia afaka manompo amin\u2019ny anaran\u2019i Jehovah Andriamaniny koa izy any, hoatran\u2019ny Levita rahalahiny rehetra manompo eo anatrehan\u2019i Jehovah any.",
"8": "Hahazo anjara sakafo mitovy amin\u2019ny an\u2019ireo izy, ankoatra an\u2019izay azony rehefa mivarotra ny fananany navelan\u2019ny razambeny.",
"9": "\u201cRehefa tafiditra ao amin\u2019ilay tany homen\u2019i Jehovah Andriamanitrao anao ianao, dia aza mianatra ny zava-maharikoriko fanaon\u2019ireny firenena ireny.",
"10": "Tsy tokony hisy eo aminao mihitsy ny olona mandoro ny zanany lahy na ny zanany vavy ao anaty afo, na manao sikidy, na mampiasa herin\u2019ny maizina, na mitady fambara, na milalao\u00a0ody,",
"11": "na mamosavy, na mankany amin\u2019ny mpamoha angatra na mpilaza ny hoavy, na olona manontany amin\u2019ny maty.",
"12": "Maharikoriko an\u2019i Jehovah mantsy izay manao an\u2019ireo zavatra ireo. Ary ireo fanao maharikoriko ireo no mahatonga an\u2019i Jehovah Andriamanitrao handroaka an\u2019ireny olona ireny hiala eo anatrehanao.",
"13": "Asehoy hoe tsy misy tsiny eo anatrehan\u2019i Jehovah Andriamanitrao ianao.",
"14": "\u201cIreny firenena ho resinao ireny mantsy nihaino foana an\u2019ireny mpampiasa herin\u2019ny maizina sy mpanao sikidy ireny. Fa ianao kosa tsy avelan\u2019i Jehovah Andriamanitrao hanao hoatr\u2019izany.",
"15": "Hanendry mpaminany ho anao i Jehovah Andriamanitrao, dia mpaminany hoatr\u2019ahy, avy eo amin\u2019ny rahalahinao. Henoy izy.",
"16": "Izany no valin\u2019ilay nangatahinao tamin\u2019i Jehovah Andriamanitrao tany Horeba, tamin\u2019ilay andro nivorian\u2019ny vahoaka. Hoy mantsy ianao tamin\u2019izay: \u2018Aleo izahay tsy maheno ny feon\u2019i Jehovah Andriamanitray intsony, na mahita an\u2019io afo lehibe io intsony, sao ho faty izahay!\u2019",
"17": "Dia hoy i Jehovah tamiko: \u2018Mety izany nolazainy izany.",
"18": "Hanendry mpaminany ho an-dry zareo avy eo amin\u2019ny rahalahiny aho, dia mpaminany hoatr\u2019anao. Ary hampitaiko aminy ny teny tiako holazainy, ka hoteneniny amin\u2019izy ireo izay rehetra andidiako azy.",
"19": "Tsy hataoko afa-maina izay tsy mihaino ny teniko holazain\u2019io mpaminany io amin\u2019ny anarako.",
"20": "\u201c\u2018Raha misy mpaminany sahisahy ratsy milaza zavatra amin\u2019ny anarako, nefa zavatra tsy nasaiko nolazainy, dia hovonoina ho faty izy. Hovonoina ho faty koa izy raha miteny amin\u2019ny anaran\u2019andriamani-kafa.",
"21": "Mety hiteny anakampo anefa ianao hoe: \u201cDia ahoana no hahafantaranay hoe tsy niteny an\u2019ilay izy i Jehovah?\u201d",
"22": "Raha miteny amin\u2019ny anaran\u2019i Jehovah ilay mpaminany, nefa tsy mitranga na tsy tanteraka ilay zavatra teneniny, dia tsy nolazain\u2019i Jehovah ilay izy. Sahisahy ratsy ilay mpaminany nilaza an\u2019izany. Koa tsy tokony hatahotra azy ianao.\u2019"
},
"19": {
"1": "\u201cRehefa aringan\u2019i Jehovah Andriamanitrao ny firenena tompon\u2019ilay tany homen\u2019i Jehovah Andriamanitrao anao, ka efa azonao ny tanin\u2019izy ireo, ary efa mipetraka ao amin\u2019ny tan\u00e0nany sy ny tranony ianao,",
"2": "dia tokony hanokana tan\u00e0na telo ianao, ao amin\u2019ilay tany homen\u2019i Jehovah Andriamanitrao ho fanananao.",
"3": "Tokony hozarainao telo ilay tany omen\u2019i Jehovah Andriamanitrao ho anao. Amboary ny lalana mankany amin\u2019ireo tan\u00e0na ireo, mba ho afaka handositra any amin\u2019ny iray amin\u2019ireo izay nahafaty olona.",
"4": "\u201cIzao no tokony hataon\u2019izay namono olona ka mahazo mandositra any mba tsy ho faty: Raha nahafaty olona tsy nahy izy nefa tsy nankahala an\u2019ilay olona,",
"5": "ohatra hoe tamin\u2019izy niaraka tamin\u2019ilay olona haka kitay tany anaty ala, dia nanainga famaky izy mba hikapa hazo, nefa niala tamin\u2019ny tahony ny lelan\u2019ilay famaky ka nahavoa an\u2019ilay olona ary maty ilay olona, dia tokony handositra any amin\u2019ny iray amin\u2019ireo tan\u00e0na ireo izy mba tsy ho faty.",
"6": "Raha tsy izany mantsy, dia hanenjika azy ny mpamaly ra, raha iny mbola tezitra be iny. Ary ho tratran\u2019ilay mpamaly ra izy satria lavitra be ny lalana mankany amin\u2019ilay tan\u00e0na, ka hovonoiny ho faty. Tsy mendrika ny ho faty anefa izy satria tsy hoe nankahala an\u2019ilay olona izy talohan\u2019izay.",
"7": "Izany no antony andidiako anao hoe: \u2018Manok\u00e0na tan\u00e0na telo.\u2019",
"8": "\u201cRaha itarin\u2019i Jehovah Andriamanitrao ny taninao, araka izay nianianany tamin\u2019ny razambenao, ary omeny anao daholo ilay tany nampanantenainy hoe homena ny razambenao",
"9": "\u2014raha mankat\u00f2 an-tsakany sy an-davany ny didy rehetra omeko anao anio ianao, ka tia an\u2019i Jehovah Andriamanitrao sy mandeha foana amin\u2019ny lalana atorony\u2014dia ampio tan\u00e0na telo hafa ireo tan\u00e0na telo ireo.",
"10": "Amin\u2019izay dia tsy hisy ran\u2019olona tsy manan-tsiny ho latsaka eo amin\u2019ilay tany homen\u2019i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao, ary tsy ho meloka ho nandatsa-dra ianao.",
"11": "\u201cFa raha misy kosa nankahala olona ary efa nandrasany ilay olona dia noratrainy ka maty, ary avy eo izy nandositra tany amin\u2019ny iray amin\u2019ireo tan\u00e0na ireo,",
"12": "dia hampiantso azy avy any ny anti-panahy ao an-tan\u00e0nany, ka hanolotra azy eo am-pelatanan\u2019ny mpamaly ra, dia tsy maintsy hovonoina ho faty izy.",
"13": "Tsy tokony hiantra azy ianao, fa esory eo amin\u2019ny Israely ny heloka vokatry ny fandatsahana ran\u2019olona tsy manan-tsiny. Amin\u2019izay dia handeha tsara ny fiainanao.",
"14": "\u201cRehefa azonao ny lovanao ao amin\u2019ilay tany homen\u2019i Jehovah Andriamanitrao ho fanananao, dia aza akisaka amin\u2019izay efa nametrahan\u2019ny razambenareo azy ny marika mamaritra ny tanin\u2019ny namanao.",
"15": "\u201cRaha vavolombelona iray ihany, dia tsy mahazo miampanga olon-kafa hoe nanao diso na nanota. Ny tenin\u2019ny vavolombelona roa na telo no ahazoana antoka hoe mitombina ny zavatra iray.",
"16": "Raha misy vavolombelona mitetika ny hanao ratsy ka miampanga olon-kafa hoe nanao ratsy,",
"17": "dia hijoro eo anatrehan\u2019i Jehovah izy roa lahy manana ady, izany hoe eo anatrehan\u2019ny mpisorona sy ny mpitsara miasa amin\u2019izany fotoana izany.",
"18": "Dia hanadihady tsara ireo mpitsara ireo, ka raha vavolombelona mandainga ilay miampanga, sady nanendrikendrika an\u2019ilay rahalahiny,",
"19": "dia tokony hataonao aminy izay noeritreretiny hatao amin\u2019ilay rahalahiny. Esory eo aminao ny ratsy.",
"20": "Dia haheno an\u2019izany ny olon-kafa rehetra ka hatahotra, dia tsy hisy hanao zava-dratsy hoatr\u2019izany intsony eo aminao.",
"21": "Tsy tokony hiantra azy ianao, fa aina ho solon\u2019ny aina, maso ho solon\u2019ny maso, nify ho solon\u2019ny nify, tanana ho solon\u2019ny tanana, ary tongotra ho solon\u2019ny tongotra."
},
"20": {
"1": "\u201cRaha mandeha miady amin\u2019ny fahavalonao ianao, ka hitanao fa betsaka noho ny anao ny soavaliny sy ny kalesiny ary ny miaramilany, dia aza matahotra azy. Manampy anao mantsy i Jehovah Andriamanitrao, ilay nitondra anao niakatra avy tany Ejipta.",
"2": "Rehefa handeha hiady ianareo, dia tokony hanatona hiresaka amin\u2019ny miaramila ny mpisorona,",
"3": "hoe: \u2018Mihainoa, ry Israely\u00a0\u00f4! Handeha hiady amin\u2019ny fahavalonareo ianareo izao, ka aza mitebiteby. Aza matahotra na mihorohoro na mangovitra noho ny aminy.",
"4": "Fa miara-mandeha aminareo i Jehovah Andriamanitrareo ka hiady amin\u2019ny fahavalonareo, ary hamonjy anareo.\u2019",
"5": "\u201cHilaza amin\u2019ny miaramila koa ny mpifehy hoe: \u2018Iza no nahavita trano vaovao nefa mbola tsy nitokana an\u2019ilay izy? Aleo izy mody any an-tranony, sao maty any an\u2019ady ka lehilahy hafa no hitokana an\u2019ilay trano.",
"6": "Iza koa no namboly voaloboka nefa mbola tsy nioty ny vokatra amin\u2019ilay izy? Aleo izy mody any an-tranony, sao maty any an\u2019ady ka lehilahy hafa no hioty amin\u2019ilay izy.",
"7": "Iza koa no manana fofombady nefa mbola tsy nanambady an\u2019ilay vehivavy? Aleo izy mody any an-tranony, sao maty any an\u2019ady ka lehilahy hafa no hanambady an\u2019ilay vehivavy.\u2019",
"8": "Tokony hanontanian\u2019ny mpifehy koa ny miaramila hoe: \u2018Iza no matahotra na mitebiteby? Tokony hody any an-tranony izy, sao izy indray no hahatonga ny rahalahiny hatahotra hoatr\u2019azy.\u2019",
"9": "Rehefa avy miresaka amin\u2019ny miaramila ny mpifehy, dia hanendry lehiben\u2019ny tafika izy hitarika ny miaramila.",
"10": "\u201cRaha manatona tan\u00e0na iray ianao mba hiady aminy, dia lazao amin\u2019ny mponina ao izay tokony hataony mba tsy hisian\u2019ny ady.",
"11": "Raha manaiky izy ireo hoe tsy hiady ka manokatra vavahady mba hidiranao, dia ho lasanao ny olon-drehetra ao amin\u2019ilay tan\u00e0na ka hampanaovinao asa an-terivozona ary hanompo anao.",
"12": "Raha tsy manaiky hihavana aminao kosa izy fa te hiady aminao, dia tokony hataonao fahirano.",
"13": "Dia hataon\u2019i Jehovah Andriamanitrao resinao tokoa ilay tan\u00e0na, ka vonoy amin\u2019ny sabatra ny lehilahy rehetra ao.",
"14": "Azonao atao babo kosa ny vehivavy, ny ankizy, ny biby fiompy, ary ny zava-drehetra ao amin\u2019ilay tan\u00e0na, dia ny fananana rehetra ao. Hano koa ny zavatra nentinao ho babo avy tamin\u2019ny fahavalonao, dia izay nomen\u2019i Jehovah Andriamanitrao anao.",
"15": "\u201cHoatr\u2019izany no hataonao amin\u2019ny tan\u00e0na lavitra be rehetra, izay tsy anisan\u2019ny tan\u00e0nan\u2019iretsy firenena etsy akaiky iretsy.",
"16": "Aza avela hisy zavamananaina ho velona anefa ao amin\u2019ny tan\u00e0nan\u2019iretsy firenena homen\u2019i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao iretsy.",
"17": "Fa aringano tanteraka ny Hetita, ny Amorita, ny Kananita, ny Perizita, ny Hivita, ary ny Jebosita, araka ny didy nomen\u2019i Jehovah Andriamanitrao anao.",
"18": "Sao izy ireo hampianatra anareo hanao ny zava-maharikoriko rehetra fanaony amin\u2019ny andriamaniny, ka hahatonga anareo hanota amin\u2019i Jehovah Andriamanitrareo.",
"19": "\u201cRaha manao fahirano tan\u00e0na iray ianao, ary azonao ilay tan\u00e0na rehefa avy niady nandritra ny andro maromaro ianao, dia aza aripaka sy kapaina amin\u2019ny famaky daholo ny hazo maniry ao. Azonao hanina ny voany, fa aza tapahina ny hazo. Ny hazo koa ve dia hataonao fahirano hoatran\u2019ny olona?",
"20": "Izay hazo misy voany fantatrao hoe tsy fihinana ihany no azonao aripaka. Azonao tapahina ilay izy ka ampiasainao hanaovana fahirano an\u2019ilay tan\u00e0na miady aminao, mandra-paharesiny."
},
"21": {
"1": "\u201cRaha misy olona maty novonoin\u2019olona ka hita mitsirara any an-tsaha, ao amin\u2019ilay tany homen\u2019i Jehovah Andriamanitrao anao, ary tsy fantatra izay namono azy,",
"2": "dia tokony hivoaka ny anti-panahy sy ny mpitsara eo aminao, ka handrefy manomboka eo amin\u2019ilay faty ka hatreny amin\u2019ireo tan\u00e0na manodidina.",
"3": "Avy eo dia tokony haka vantotr\u2019ombivavy mbola tsy nampiasaina sady mbola tsy nitondra zioga mihitsy ny anti-panahy ao amin\u2019ny tan\u00e0na akaiky indrindra an\u2019ilay faty.",
"4": "Ary hoentin\u2019ireo anti-panahy ireo eny amin\u2019ny lohasaha misy rano mikoriana ilay vantotr\u2019ombivavy, eny amin\u2019ny lohasaha mbola tsy nasaina sady tsy namafazana voa. Dia hovelezin\u2019izy ireo eo amin\u2019ilay lohasaha ny hatok\u2019ilay ombivavy mba hahafaty azy.",
"5": "\u201cAry hanatona eo ny mpisorona, izany hoe ny Levita, satria izy ireo no nofidin\u2019i Jehovah Andriamanitrao hanompo azy sy hitso-drano amin\u2019ny anaran\u2019i Jehovah. Izy ireo no hilaza ny fomba handaminana ny adin\u2019izay rehetra nifamaly ka nampiasa herisetra.",
"6": "Dia hanasa ny tanany eo ambonin\u2019ilay vantotr\u2019ombivavy daholo ny anti-panahy ao amin\u2019ilay tan\u00e0na akaiky indrindra an\u2019ilay faty, rehefa avy novelezina teo amin\u2019ilay lohasaha ny hatok\u2019ilay ombivavy.",
"7": "Ary tokony hiteny izy ireo hoe: \u2018Tsy namono an\u2019io olona io izahay, sady tsy nahita ny namonoana azy.",
"8": "Aza atao tompon\u2019andraikitra amin\u2019izany ny Israely vahoakanao izay navotanao, Jehovah\u00a0\u00f4! Ary aza melohina ho nandatsaka ran\u2019olona tsy manan-tsiny ny Israely vahoakanao.\u2019 Dia tsy holazaina hoe meloka ho nandatsa-dra izy ireo.",
"9": "Amin\u2019izay dia tsy hisy ho meloka ho nandatsaka ran\u2019olona tsy manan-tsiny eo aminao, satria manao izay tsara eo imason\u2019i Jehovah ianao.",
"10": "\u201cRaha mandeha miady amin\u2019ny fahavalonao ianao, ary ataon\u2019i Jehovah Andriamanitrao resinao izy ireo ka entinao ho babo,",
"11": "ary mahita vehivavy tsara tarehy eo amin\u2019ireo babo ianao, ka lasa tia azy ary te hanambady azy,",
"12": "dia azonao entina ao an-tranonao izy. Tokony hosolainy ny lohany, hotapahiny ny hohony,",
"13": "hesoriny ny akanjo nanaovany tamin\u2019izy babo, ary hipetraka ao an-tranonao izy. Hitomany an-drainy sy ny reniny mandritra ny iray volana katroka izy, dia mahazo manao firaisana aminy ianao aorian\u2019izay. Dia ho lasa vadiny ianao, ary izy ho vadinao.",
"14": "Raha lasa tsy mahafinaritra anao anefa izy, dia tokony havelanao handeha any amin\u2019izay tiany haleha. Tsy azonao amidy kosa izy na ampijalina, satria efa nataonao afa-baraka.",
"15": "\u201cRaha misy lehilahy manana vady roa, ka ny iray no tiany kokoa noho ilay anankiray, nefa samy niterahany zanakalahy izy roa vavy, saingy ny zanak\u2019ilay tsy tiany no lahimatoa,",
"16": "dia tsy azony atao lahimatoa ny zanak\u2019ilay tiany ho solon\u2019ny zanak\u2019ilay tsy tiany, izay tena lahimatoany, rehefa tonga ny andro izarany lova amin\u2019ireo zanany lahy.",
"17": "Tokony hekeny fa ny zanak\u2019ilay tsy tiany no lahimatoa, ka tokony homeny anjaran\u2019olon-droa amin\u2019izay rehetra ananany. Izy io mantsy no naterany voalohany, ka an\u2019io zanany io ny zon\u2019ny lahimatoa.",
"18": "\u201cRaha misy lehilahy manan-janaka mafy loha sy mpikomy, sady tsy mankat\u00f2 ray na reny, ary efa niezaka ry zareo nanitsy azy saingy tsy nety nihaino izy,",
"19": "dia tokony hitondra azy any amin\u2019ny anti-panahy eo am-bavahadin\u2019ny tan\u00e0nany ny rainy sy ny reniny.",
"20": "Ary hilaza amin\u2019ny anti-panahy ao an-tan\u00e0nany ry zareo hoe: \u2018Mafy loha sy mpikomy ity zanakay ity sady tsy mety mankat\u00f2 anay. Izy koa tendan-kanina sady mamo lava.\u2019",
"21": "Dia hitora-bato azy ho faty ny olon-drehetra ao an-tan\u00e0nany. Koa esory eo aminao ny ratsy. Ary haheno an\u2019izany ny Israely rehetra ka hatahotra.",
"22": "\u201cRaha misy olona manao fahotana azo anamelohana azy ho faty, ka novonoina izy ary nahantona teo amin\u2019ny tsato-kazo,",
"23": "dia tsy tokony hajanona eo mandritra ny alina ny fatiny, fa tokony halevina amin\u2019iny andro iny ihany. Voaozon\u2019Andriamanitra mantsy izay mihantona eo amin\u2019ny tsato-kazo. Tsy tokony holotoinao ny taninao, izay homen\u2019i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao."
},
"22": {
"1": "\u201cRaha hitanao diso lalana ny ombin\u2019ny rahalahinao na ny ondriny, dia aza odiana tsy hita fotsiny fa ento miverina any amin\u2019ny rahalahinao.",
"2": "Raha tsy mipetraka eny akaikinao eny anefa ny rahalahinao na raha tsy fantatrao izy, dia tokony hoentinao mody any an-tranonao ilay biby, ka hajanona ao aminao mandra-pitadin\u2019ny rahalahinao an\u2019ilay izy. Tokony haverinao amin\u2019ny rahalahinao ilay izy amin\u2019izay.",
"3": "Izany no tokony hataonao amin\u2019ny ampondran\u2019ny rahalahinao, sy ny akanjony, ary izay fananany very ka hitanao. Aza odiana tsy hita fotsiny ilay izy.",
"4": "\u201cRaha hitanao lavo eny an-dalana ny ampondran\u2019ny rahalahinao na ny ombiny, dia aza odiana tsy hita fotsiny. Tokony hampianao hanarina an\u2019ilay izy ny rahalahinao.",
"5": "\u201cTsy mahazo manao akanjon-dehilahy ny vehivavy, ary ny lehilahy tsy tokony hanao akanjom-behivavy. Maharikoriko an\u2019i Jehovah Andriamanitrao mantsy izay olona manao an\u2019izany.",
"6": "\u201cRaha sendra mahita akanim-borona ianao eny an-dalana, na eny ambony hazo izany na eo amin\u2019ny tany, ka misy zana-borona na atody ao amin\u2019ilay izy, ary ao ambanin\u2019ilay reniny ny zanany na ny atodiny, dia aza alaina miaraka amin\u2019ny zanany ilay reniny.",
"7": "Alefaso ilay reniny fa ny zanany kosa azonao alaina. Ataovy izany dia handeha tsara ny fiainanao sady ho ela velona ianao.",
"8": "\u201cAsio arofanina ny tampon-trano raha manao trano vaovao ianao, sao hivesatra trosan-dra ianao sy ny ao an-tranonao, raha sanatria misy olona mianjera avy eny.",
"9": "\u201cAza mamafy voa roa karazana eo amin\u2019ny tanimboalobokao, sao dia halaina ho an\u2019ny toerana masina daholo ny vokatra avy amin\u2019ny voa afafinao sy ny vokatry ny tanimboalobokao.",
"10": "\u201cAza ampiraisina zioga hiasa tany ny omby sy ny ampondra.",
"11": "\u201cAza manao akanjo vita amin\u2019ny volonondry sy rongony niara-notenomina.",
"12": "\u201cAsio vona ny zorony efatra amin\u2019ny lamba fitafinao.",
"13": "\u201cRaha misy lehilahy maka vady ary manao firaisana amin\u2019ilay vehivavy, nefa lasa mankahala azy",
"14": "ka miampanga azy ho ratsy fitondran-tena, ary manala baraka azy hoe: \u2018Nalaiko ho vady ity vehivavy ity, nefa rehefa nanao firaisana taminy aho, dia tsy nahita porofo hoe mbola virjiny izy\u2019,",
"15": "dia hasehon\u2019ny ray aman-drenin\u2019ilay tovovavy amin\u2019ny anti-panahy eo am-bavahadin\u2019ny tan\u00e0na ny porofo hoe virjiny ilay tovovavy.",
"16": "Dia hiteny amin\u2019ny anti-panahy ny rain\u2019ilay tovovavy hoe: \u2018Nomeko ho vadin\u2019io lehilahy io ny zanako vavy, nefa lasa halany,",
"17": "sady ampangainy hoe ratsy fitondran-tena, ka hoy izy: \u201cTsy nahita porofo aho hoe mbola virjiny ny zanakao vavy.\u201d Int\u1ef3 anefa ny porofo fa virjiny ny zanako.\u2019 Dia hovelarin\u2019izy ireo eo anatrehan\u2019ny anti-panahy ao an-tan\u00e0na ilay lamba.",
"18": "Koa halain\u2019ireo anti-panahy ao an-tan\u00e0na ilay lehilahy, dia hofaiziny.",
"19": "Hosazin\u2019izy ireo handoa volafotsy 100 sekely koa izy, ka homeny ny rain\u2019ilay tovovavy izany. Nanala baraka virjiny teo amin\u2019ny Israely mantsy ilay lehilahy. Ary mbola ho vadiny ihany ilay tovovavy, ka tsy azony isarahana mandritra ny androm-piainany.",
"20": "\u201cRaha marina anefa ilay fiampangana, ka tsy misy porofo hoe virjiny ilay tovovavy,",
"21": "dia havoaka ho eo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranon\u2019ny rainy izy, ary hitora-bato azy ho faty ny olona ao an-tan\u00e0nany. Nanao zavatra manala baraka teo amin\u2019ny Israely mantsy izy, satria nijangajanga tamin\u2019izy tao an-tranon\u2019ny rainy. Esory eo aminao ny ratsy.",
"22": "\u201cRaha misy lehilahy tratra manao firaisana amin\u2019ny vehivavy vadin\u2019olona, dia tsy maintsy miaraka vonoina ho faty izy roa, izany hoe ilay lehilahy nanao firaisana tamin\u2019ilay vehivavy sy ilay vehivavy. Koa esory eo amin\u2019ny Israely ny ratsy.",
"23": "\u201cRaha misy tovovavy virjiny efa fofombadin\u2019olona, ary misy lehilahy mahita azy ao an-tan\u00e0na ka manao firaisana aminy,",
"24": "dia tokony havoakanao eny am-bavahadin\u2019ilay tan\u00e0na izy roa ka hotoraham-bato ho faty. Tsy niantsoantso mafy tao an-tan\u00e0na mantsy ilay tovovavy, ary ilay lehilahy kosa nandoto ny vadin\u2019ny namany. Koa esory eo aminao ny ratsy.",
"25": "\u201cRaha sendra hitan\u2019ilay lehilahy tany an-tsaha kosa ilay tovovavy efa fofombadin\u2019olona, ary matanjaka noho izy ilay lehilahy ka nanolana azy, dia ilay lehilahy nanao firaisana taminy ihany no hovonoina ho faty.",
"26": "Aza atao na inona na inona ilay tovovavy, fa tsy nanao fahotana tokony hahafaty azy izy. Izany dia mitovy amin\u2019ny hoe misy olona anankiray mamely ny namany ka mamono azy.",
"27": "Sendra hitan\u2019ilay lehilahy tany an-tsaha mantsy ilay tovovavy efa fofombadin\u2019olona, ary niantsoantso mafy izy fa tsy nisy olona namonjy azy.",
"28": "\u201cRaha misy lehilahy sendra mahita tovovavy virjiny mbola tsy fofombadin\u2019olona, ary misambotra azy ka manao firaisana aminy ary hitan\u2019ny olona izy roa,",
"29": "dia hanome volafotsy 50 sekely ho an\u2019ny rain\u2019ilay tovovavy ilay lehilahy nanao firaisana taminy. Ary ho lasa vadiny ilay tovovavy satria efa nataony afa-baraka, ka tsy azony isarahana mandritra ny androm-piainany.",
"30": "\u201cTsy misy lehilahy mahazo maka ny vadin\u2019ny rainy, sao izy hanala baraka ny rainy."
},
"23": {
"1": "\u201cTsy mahazo miditra ho anisan\u2019ny fiangonan\u2019i Jehovah izay lehilahy novosirina ka notorotoroina ny vihiny, na izay nesorina ny filahiany.",
"2": "\u201cTsy mahazo miditra ho anisan\u2019ny fiangonan\u2019i Jehovah ny zazasary. Na hatramin\u2019ny taranany fahafolo aza tsy misy mahazo miditra ho anisan\u2019ny fiangonan\u2019i Jehovah.",
"3": "\u201cTsy mahazo miditra ho anisan\u2019ny fiangonan\u2019i Jehovah na ny Amonita na ny Moabita. Na hatramin\u2019ny taranany fahafolo aza tsy misy mahazo miditra ho anisan\u2019ny fiangonan\u2019i Jehovah mihitsy.",
"4": "Tsy nanampy anareo mantsy izy ireo sady tsy nanome sakafo sy rano anareo, tamin\u2019ianareo teny an-dalana avy tany Ejipta. Nokaramainy hanozona anareo koa i Balama zanak\u2019i Beora, avy any Petora, any Mezopotamia.",
"5": "Tsy nety nihaino an\u2019i Balama anefa i Jehovah Andriamanitrao, fa novan\u2019i Jehovah Andriamanitrao ho tsodrano ho anao ilay ozona, satria tia anao i Jehovah Andriamanitrao.",
"6": "Tsy tokony hitady izay hahasoa an\u2019ireny mihitsy ianao na hanao izay hiadanany, mandritra ny androm-piainanao.",
"7": "\u201cAza mankahala Edomita, satria rahalahinao izy. \u201cAza mankahala Ejipsianina, fa efa mba vahiny tany amin\u2019ny taniny ihany ianao.",
"8": "Mahazo miditra ho anisan\u2019ny fiangonan\u2019i Jehovah ny zafiafin\u2019izy ireo.",
"9": "\u201cMitandrema amin\u2019izay zavatra mandoto anao, rehefa mitoby hiady amin\u2019ny fahavalonao ianao.",
"10": "Raha misy lehilahy lasa maloto satria nivoaka tsirinaina tamin\u2019ny alina, dia tokony hankany ivelan\u2019ny toby izy, ary tsy tokony hiverina ao amin\u2019ny toby.",
"11": "Tokony hisasa amin\u2019ny rano izy rehefa harivariva ny andro, ka mahazo miverina ao amin\u2019ny toby indray rehefa milentika ny masoandro.",
"12": "Tokony hisy toeram-pivoahana azo ampiasaina eny ivelan\u2019ny toby, ka any no tokony handehananao.",
"13": "Tokony hisy hazo maranitra koa hoentinao miaraka amin\u2019ny fitaovanao. Rehefa mipetraka mininginingina eny ivelany \u00e0ry ianao dia tokony hangady lavaka amin\u2019ilay hazo, dia avy eo totofy ny malotonao.",
"14": "Mandehandeha ao an-tobinao mantsy i Jehovah Andriamanitrao, mba hamonjy anao sy hanampy anao handresy ny fahavalonao. Tsy maintsy masina \u00e0ry ny tobinao sao hahita zavatra tsy mendrika eo aminao izy, dia hiala eo ka tsy hiaraka aminao intsony.",
"15": "\u201cTsy tokony hatolotrao amin\u2019ny tompony ny mpanompo, raha mandositra avy any amin\u2019ny tompony izy ka mankany aminao.",
"16": "Mahazo mipetraka any amin\u2019izay tiany izy, any amin\u2019izay toerana fidiny hipetrahana ao amin\u2019ny iray amin\u2019ny tan\u00e0nanao. Ary aza mampijaly azy.",
"17": "\u201cTsy misy mahazo manao mpivaro-tenan\u2019ny tempoly, na ny zanakavavin\u2019ny Israely na ny zanakalahin\u2019ny Israely.",
"18": "Aza entina ao an-tranon\u2019i Jehovah Andriamanitrao mba hanefana voady ny karaman\u2019ny vehivavy mpivaro-tena na ny karaman\u2019ny lehilahy mpivaro-tena, satria samy maharikoriko an\u2019i Jehovah Andriamanitrao izany.",
"19": "\u201cAza maka tombony amin\u2019ny rahalahinao rehefa mampindrana vola na sakafo na zavatra hafa mety ho azo akana tombony.",
"20": "Azonao akana tombony anefa ny hafa firenena rehefa mampindrana azy ianao, fa ny rahalahinao kosa aza akana. Amin\u2019izay dia hotahin\u2019i Jehovah Andriamanitrao ianao amin\u2019izay rehetra ataonao eo amin\u2019ilay tany halainao ho anao.",
"21": "\u201cRaha mivoady amin\u2019i Jehovah Andriamanitrao ianao, dia aza miandry ela be vao manatanteraka an\u2019ilay voady. Tena hotakin\u2019i Jehovah Andriamanitrao aminao mantsy ny hanefanao an\u2019ilay izy. Raha tsy manefa an\u2019ilay izy ianao, dia ho fahotana ho anao izany.",
"22": "Tsy ho meloka hoe nanota anefa ianao raha tsy mivoady.",
"23": "Tokony hitana ny teninao ianao, ka tanteraho izay voady nolazainao, fa hoatran\u2019ny fanatitra an-tsitrapo ho an\u2019i Jehovah Andriamanitrao ihany ilay izy.",
"24": "\u201cRaha mankeny amin\u2019ny tanimboalobok\u2019olona ianao, dia mahazo mihinana voaloboka izay laninao, nefa tsy tokony hitondra amin\u2019ny harona.",
"25": "\u201cRaha mankeny amin\u2019ny sahan\u2019olona misy varimbazaha ianao, dia mahazo mioty salohy masaka amin\u2019ny tananao, fa tsy tokony hojinjainao amin\u2019ny antsy fijinjana ny varimbazahan\u2019olona."
},
"24": {
"1": "\u201cRaha manambady vehivavy anankiray ny lehilahy iray, kanefa lasa tsy mahafinaritra azy ilay vehivavy satria hitany nanao zavatra tsy mendrika, dia tsy maintsy manao taratasy fisaraham-panambadiana izy ka homeny an\u2019ilay vehivavy izany, dia horoahiny hiala ao an-tranony ilay vehivavy.",
"2": "Rehefa miala ao an-tranony ilay vehivavy, dia mahazo manambady olon-kafa.",
"3": "Raha lasa mankahala an\u2019ilay vehivavy koa ilay vadiny faharoa, ka manao taratasy fisaraham-panambadiana ary manome azy an\u2019ilay taratasy sady mandroaka azy hiala ao an-tranony, na raha maty ilay vadiny faharoa,",
"4": "dia tsy mahazo manambady azy intsony ilay vadiny voalohany nandroaka azy, satria efa voaloto izy. Maharikoriko an\u2019i Jehovah mantsy izany, ka aza mampanota ny olona ao amin\u2019ilay tany homen\u2019i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao.",
"5": "\u201cRaha vao nanambady ny lehilahy anankiray, dia tsy tokony hanao miaramila na hampanaovina adidy hafa. Tsy tokony hampanaovina adidy izy mandritra ny herintaona fa hijanona ao an-trano, dia hampifalifaly an\u2019ilay vadiny.",
"6": "\u201cTsy tokony hisy haka vato fikosoham-bary mba hatao antoka, na ny vato amboniny fotsiny aza, satria ny fiveloman\u2019ilay olona mihitsy no alaina hatao antoka amin\u2019izany.",
"7": "\u201cRaha misy olona anankiray tratra naka an-keriny ny rahalahiny israelita, ka nampijaly azy sy nivarotra azy, dia tsy maintsy hovonoina ho faty ilay naka an-keriny. Tokony hesorinao eo aminao ny ratsy.",
"8": "\u201cRehefa misy voan\u2019ny habokana, dia araho tsara izay toromarika rehetra lazain\u2019ny Levita mpisorona aminareo. Araho an-tsakany sy an-davany izay nandidiako azy ireo.",
"9": "Tsarovy izay nataon\u2019i Jehovah Andriamanitrao tamin\u2019i Miriama teny an-dalana, tamin\u2019ianareo avy tany Ejipta.",
"10": "\u201cRaha mampindrana zavatra ny namanao ianao, na inona izany na inona, dia aza miditra ao an-tranony mba haka ny zavatra omeny hatao antoka.",
"11": "Mijoroa eo ivelany, fa ilay olona nampindraminao zavatra no tokony hamoaka an\u2019izay ataony antoka, dia hanome an\u2019ilay izy anao.",
"12": "Ary raha mahantra ilay olona, dia aza mandeha matory raha mbola any aminao ilay zavatra nomeny hatao antoka.",
"13": "Tokony haverinao aminy ilay zavatra nomeny hatao antoka, raha vao milentika ny masoandro. Dia hoentiny matory ilay akanjony ka hitso-drano anao izy. Ho olo-marina eo anatrehan\u2019i Jehovah Andriamanitrao ianao raha manao an\u2019izany.",
"14": "\u201cAza ambakaina ny mpikarama sahirana sady mahantra, na rahalahinao izy na vahiny mipetraka ao an-tan\u00e0nanao, eo amin\u2019ny taninao.",
"15": "Tokony homenao azy amin\u2019iny andro iny ihany ny karamany, alohan\u2019ny hilentehan\u2019ny masoandro, fa sahirana izy ka iny karamany iny no antoky ny ainy. Sao mantsy izy hitaraina amin\u2019i Jehovah momba anao, ka ho fahotana ho anao izany.",
"16": "\u201cTsy tokony hovonoina ho faty noho ny fahotan\u2019ny zanany ny ray, ary tsy tokony hovonoina ho faty noho ny fahotan\u2019ny rainy ny zanaka. Hovonoina ho faty noho ny fahotana vitany ihany ny olona tsirairay.",
"17": "\u201cAza mamoaka didim-pitsarana tsy ara-drariny rehefa mitsara ny vahiny na ny kamboty ray, ary aza alaina ho antoka ny akanjon\u2019ny mpitondratena.",
"18": "Tadidio hoe andevo tany Ejipta ianao, fa navotan\u2019i Jehovah Andriamanitrao avy tany. Izany no antony andidiako anao mba hanao an\u2019izany.",
"19": "\u201cRehefa mijinja ny vokatrao any an-tsaha ianao, ka misy amboara hadinonao any, dia aza miverina maka an\u2019ilay izy. Tokony havela ho an\u2019ny vahiny sy ny kamboty ray ary ny mpitondratena ilay izy. Dia hotahin\u2019i Jehovah Andriamanitrao ianao amin\u2019izay rehetra ataonao.",
"20": "\u201cRehefa mikapoka ny hazo olivanao ianao, dia aza iverenana kapohina ireo sampany. Tokony havela ho an\u2019ny vahiny sy ny kamboty ray ary ny mpitondratena izay ambiny eo.",
"21": "\u201cRehefa mioty voaloboka eny amin\u2019ny tanimboalobokao ianao, dia aza miverina mioty an\u2019izay sisa tavela. Tokony havela ho an\u2019ny vahiny sy ny kamboty ray ary ny mpitondratena ireny.",
"22": "Tadidio fa andevo tany Ejipta ianao. Izany no antony andidiako anao hanao an\u2019izany."
},
"25": {
"1": "\u201cRaha misy olona mifamaly be, dia mahazo mankany amin\u2019ny mpitsara izy ireo. Dia hotsaraina izy ireo ka holazaina hoe tsy manan-tsiny ilay tsy diso, ary holazaina hoe meloka ilay nanao ratsy.",
"2": "Raha mendrika ny hokapohina ilay nanao ratsy, dia hasain\u2019ny mpitsara matory mihohoka amin\u2019ny tany izy, ary hokapohina eo anatrehany. Tokony ho arakaraka ny ratsy nataony ny isan\u2019ny kapoka homena azy.",
"3": "Azon\u2019izy ireo kapohina hatramin\u2019ny in-40 izy, saingy tsy azo atao mihoatra an\u2019izay. Raha kapohina mihoatra an\u2019izay mantsy ilay rahalahinao, dia ho lasa tsy misy hajany eo imasonao izy.",
"4": "\u201cAza asiana fehivava ny omby miasa eny am-pamoloana.",
"5": "\u201cRaha misy mpirahalahy miara-monina ary maty ny anankiray nefa mbola tsy nitera-dahy, dia tsy tokony hanambady olon-kafa ivelan\u2019ny fianakaviana ilay vady navelan\u2019ny maty. Tokony hankany amin\u2019ilay vehivavy ny rahalahin\u2019ny vadiny ary hampakatra azy ho vady, izany hoe hitondra loloha azy.",
"6": "Dia hitondra ny anaran\u2019ilay rahalahiny efa maty ny zaza voalohany haterak\u2019ilay vehivavy, amin\u2019izay mba tsy ho foana eo amin\u2019ny Israely ny anaran\u2019ilay rahalahiny.",
"7": "\u201cRaha tsy te hanambady an\u2019ilay vady navelan\u2019ny rahalahiny anefa ilay lehilahy, dia tokony hankeny amin\u2019ny anti-panahy eny am-bavahadin\u2019ny tan\u00e0na ilay vehivavy, ka hiteny hoe: \u2018Tsy manaiky hamelona ny anaran\u2019ny rahalahiny eo amin\u2019ny Israely ny rahalahin\u2019ny vadiko. Tsy mety manambady ahy mantsy izy.\u2019",
"8": "Dia hiantso an\u2019ilay lehilahy ny anti-panahy ao an-tan\u00e0nany ka hiresaka aminy. Raha mbola tsy manaiky ihany anefa ilay lehilahy ka miteny hoe: \u2018Tsy te hanambady azy aho\u2019,",
"9": "dia tokony hankeo aminy eo imason\u2019ny anti-panahy ilay vady navelan\u2019ny rahalahiny, ka hanala ny kapa eny an-tongotr\u2019ilay lehilahy, dia handrora eo amin\u2019ny tarehiny sady hiteny hoe: \u2018Hoatr\u2019izao no hatao amin\u2019izay lehilahy tsy manome taranaka ho an\u2019ny rahalahiny!\u2019",
"10": "Aorian\u2019izay dia izao no anarana hahafantarana ny fianakavian\u2019ilay lehilahy, eo amin\u2019ny Israely: \u2018Ny ankohonan\u2019ilay nalana kapa.\u2019",
"11": "\u201cRaha misy lehilahy roa miady, ka miditra koa ny vadin\u2019ny anankiray mba hiaro ny vadiny amin\u2019ilay mamely azy, ary manatsotra ny tanany ilay vehivavy ka mandray an\u2019ilay lehilahy eo amin\u2019ny filahiany,",
"12": "dia hotapahinao ny tanany. Tsy tokony hiantra azy ianao.",
"13": "\u201cAza mitondra vatomizana roa samy hafa ao anaty kitaponao, izany hoe ny iray lehibe ary ny iray kely.",
"14": "Tsy azonao atao ny manana famarana roa samy hafa ao an-tranonao, izany hoe ny iray lehibe ary ny iray kely.",
"15": "Tokony ho vatomizana marina sy tsy mandainga foana no ampiasainao, ary famarana marina sy tsy mandainga. Amin\u2019izay dia ho ela velona ianao, ao amin\u2019ilay tany homen\u2019i Jehovah Andriamanitrao anao.",
"16": "Maharikoriko an\u2019i Jehovah Andriamanitrao mantsy ny olona rehetra manao ny tsy marina toy izany.",
"17": "\u201cTadidio ny nataon\u2019i Amaleka taminao teny an-dalana, tamin\u2019ianao nivoaka avy tany Ejipta.",
"18": "Tonga teo aminareo teny an-dalana izy ireo, ka nanafika an\u2019izay rehetra tsy naharaka ny namany, tamin\u2019ianareo efa reraka sy vizana. Tsy natahotra an\u2019Andriamanitra izy.",
"19": "Rehefa arovan\u2019i Jehovah Andriamanitrao amin\u2019ny fahavalo rehetra manodidina anao ianao, ao amin\u2019ilay tany homen\u2019i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao sy ho fanananao, dia tokony hofafanao eny ambanin\u2019ny lanitra ny fahatsiarovana ny Amalekita. Aza hadinoinao izany."
},
"26": {
"1": "\u201cRehefa tafiditra ao amin\u2019ilay tany homen\u2019i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao ianao, ka maka an\u2019izany ho anao sady mipetraka ao,",
"2": "dia akao ny voaloham-bokatra rehetra hangoninao ao amin\u2019ilay tany homen\u2019i Jehovah Andriamanitrao anao. Ataovy ao anaty harona izany, dia ento mankany amin\u2019ilay toerana fidin\u2019i Jehovah Andriamanitrao hametrahana ny anarany.",
"3": "Dia mankanesa any amin\u2019izay mpisorona manompo amin\u2019izany fotoana izany, ka lazao aminy hoe: \u2018Holazaiko amin\u2019i Jehovah Andriamanitrao anio, fa efa tafiditra eto amin\u2019ilay tany nianianan\u2019i Jehovah tamin\u2019ny razambentsika hoe homena antsika aho.\u2019",
"4": "\u201cAry horaisin\u2019ilay mpisorona eny an-tananao ilay harona, ka hapetrany eo anoloan\u2019ny alitaran\u2019i Jehovah Andriamanitrao.",
"5": "Dia lazao eo anatrehan\u2019i Jehovah Andriamanitrao hoe: \u2018Aramianina nifindrafindra monina ny raiko, ary nidina tany Ejipta izy sy ny ankohonany dia nivahiny tany. Vitsivitsy no niaraka taminy tamin\u2019izay, nefa lasa firenena lehibe sy matanjaka ary be mponina izy tany.",
"6": "Dia nampijaly anay ny Ejipsianina sady nampahory sy nanandevo mafy anay.",
"7": "Koa nitaraina taminao izahay, ry Jehovah Andriamanitry ny razambenay, dia nihaino anay ianao, Jehovah\u00a0\u00f4, sady nijery ny fahorianay sy ny zava-tsarotra niainanay ary ny fijalianay.",
"8": "Farany, dia nitondra anay nivoaka avy tany Ejipta tamin\u2019ny tanana matanjaka sy sandry mahery ianao, Jehovah\u00a0\u00f4, sady nanao zavatra nampahatahotra be sy famantarana ary fahagagana.",
"9": "Dia nentinao teto amin\u2019ity toerana ity izahay, ka nomenao an\u2019ity tany tondra-dronono sy tantely ity.",
"10": "Ireto entiko ireto \u00e0ry ny voaloham-bokatry ny tany nomen\u2019i Jehovah ahy.\u2019 \u201cApetraho eo anatrehan\u2019i Jehovah Andriamanitrao ilay izy, ary miankohofa eo anatrehan\u2019i Jehovah Andriamanitrao.",
"11": "Dia hifaly noho ny soa rehetra nataon\u2019i Jehovah Andriamanitrao taminao sy ny ankohonanao ianao sy ny Levita ary ny vahiny eo aminao.",
"12": "\u201cRehefa voatokanao daholo ny ampahafolon\u2019ny vokatrao amin\u2019ilay taona fahatelo, izany hoe ilay taona hanomezana ny ampahafolony, dia omeo ho an\u2019ny Levita sy ny vahiny sy ny kamboty ray ary ny mpitondratena izany. Dia hihinana an\u2019izany ao an-tan\u00e0nanao izy ireo, ka ho voky.",
"13": "Dia avy eo ianao hiteny eo anatrehan\u2019i Jehovah Andriamanitrao hoe: \u2018Efa nesoriko tao an-tranoko ireny zavatra masina ireny, dia nomeko ho an\u2019ny Levita sy ny vahiny sy ny kamboty ray ary ny mpitondratena, araka ny didy nomenao ahy. Tsy nandika ny didinao aho, na hoe nanao tsinontsinona an\u2019izany.",
"14": "Tsy nihinanako ireny tamin\u2019izaho nisaona, ary tsy nakako tamin\u2019izaho naloto, sady tsy nanomezako ho an\u2019ny maty. Efa nankat\u00f2 ny tenin\u2019i Jehovah Andriamanitro aho sady nanao araka ny didy rehetra nomenao ahy.",
"15": "Koa mba tsinjovy avy any an-danitra fonenanao masina ny Israely vahoakanao sy ilay tany tondra-dronono sy tantely nomenao anay, ka tahio araka ilay fianianana nataonao tamin\u2019ny razambenay.\u2019",
"16": "\u201cMandidy anao hanaraka an\u2019ireo fitsipika sy didim-pitsarana ireo i Jehovah Andriamanitrao androany. Ankatoavy ireo, ka araho amin\u2019ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo.",
"17": "Nanome toky anao i Jehovah androany hoe ho Andriamanitrao izy, raha mandeha amin\u2019ny lalana atorony ianao sady mankat\u00f2 ny fitsipiny sy ny didiny ary ny didim-pitsarany, ary mihaino ny feony.",
"18": "Ianao kosa nanome toky an\u2019i Jehovah androany hoe ho vahoakany ianao, dia ho fananany manokana, araka izay nampanantenainy anao, ary hankat\u00f2 ny didiny rehetra.",
"19": "Dia hanandratra anao ho ambony noho ny firenena hafa rehetra nataony izy, araka ny nampanantenainy. Ho fiderana sy laza ary voninahitra ho azy ianao, rehefa lasa vahoaka masina eo anatrehan\u2019i Jehovah Andriamanitrao, araka ny nampanantenainy.\u201d"
},
"27": {
"1": "Dia nandidy ny olona i Mosesy sy ny anti-panahin\u2019ny Israely hoe: \u201cAnkatoavy ny didy rehetra andidiako anareo anio.",
"2": "Rehefa hiampita an\u2019i Jordana ianao mba ho any amin\u2019ilay tany homen\u2019i Jehovah Andriamanitrao anao, dia manang\u00e0na vato lehibe ho anao, amin\u2019io andro io, ka lalory ireny.",
"3": "Soraty eo amin\u2019ireo vato ireo ny teny rehetra ato amin\u2019ity Lal\u00e0na ity rehefa tonga eny ampita ianao. Amin\u2019izay dia hiditra ao amin\u2019ilay tany tondra-dronono sy tantely homen\u2019i Jehovah Andriamanitrao anao ianao, araka ny efa nampanantenain\u2019i Jehovah Andriamanitry ny razambenao anao.",
"4": "Rehefa tonga eny ampitan\u2019i Jordana ianareo, dia atsangano eo amin\u2019ny Tendrombohitra Ebala ireo vato ireo, dia lalory, araka ny didy omeko anareo androany.",
"5": "Rehefa eo ianareo, dia manaova koa alitara vato ho an\u2019i Jehovah Andriamanitrao, nefa aza mampiasa fitaovana vy rehefa manamboatra an\u2019ilay izy.",
"6": "Vato mbola tsy voapaika no hanaovanao an\u2019ilay alitaran\u2019i Jehovah Andriamanitrao, ary manolora fanatitra dorana eo amboniny, ho an\u2019i Jehovah Andriamanitrao.",
"7": "Dia manolora sorona iombonana, ka hano eo izany. Ary hifaly eo anatrehan\u2019i Jehovah Andriamanitrao ianao.",
"8": "Dia soraty mazava tsara eo amin\u2019ireo vato ireo ny teny rehetra ato amin\u2019ity Lal\u00e0na ity.\u201d",
"9": "Avy eo dia hoy i Mosesy sy ny Levita mpisorona tamin\u2019ny Israely rehetra: \u201cMang\u00ecna, ry Israely\u00a0\u00f4, dia henoy izao! Lasa vahoakan\u2019i Jehovah Andriamanitrao ianao androany.",
"10": "Henoy ny feon\u2019i Jehovah Andriamanitrao, ary ankatoavy ny didiny sy ny fitsipiny omeko anao anio.\u201d",
"11": "Nandidy ny olona koa i Mosesy tamin\u2019izay andro izay hoe:",
"12": "\u201cRehefa tonga eny ampitan\u2019i Jordana ianareo, dia ireto avy ny foko hitsangana eo amin\u2019ny Tendrombohitra Gerizima mba hilaza an\u2019izay fitahiana ho azon\u2019ny vahoaka: Simeona, Levy, Joda, Isakara, Josefa, ary Benjamina.",
"13": "Ireto kosa no hitsangana eo amin\u2019ny Tendrombohitra Ebala mba hilaza ozona: Robena, Gada, Asera, Zebolona, Dana, ary Naftaly.",
"14": "Dia hamaly ny Levita sady hiteny mafy amin\u2019ny Israelita rehetra hoe:",
"15": "\u201c\u2018Voaozona izay manao sary sokitra, na sarivongana metaly, dia zavatra maharikoriko an\u2019i Jehovah sady asa tanan\u2019ny mpanao asa tanana. Voaozona izay manao an\u2019izany sady manafina an\u2019ilay izy.\u2019 Dia hamaly ny olona rehetra hoe: \u2018Amena!\u2019",
"16": "\u201c\u2018Voaozona izay manao tsinontsinona ny rainy na ny reniny.\u2019 Dia hamaly ny olona rehetra hoe: \u2018Amena!\u2019",
"17": "\u201c\u2018Voaozona izay manakisaka ny marika mamaritra ny tanin\u2019ny namany.\u2019 Dia hamaly ny olona rehetra hoe: \u2018Amena!\u2019",
"18": "\u201c\u2018Voaozona izay mahatonga ny jamba ho diso lalana.\u2019 Dia hamaly ny olona rehetra hoe: \u2018Amena!\u2019",
"19": "\u201c\u2018Voaozona izay mamoaka didim-pitsarana tsy ara-drariny rehefa mitsara ny vahiny sy ny kamboty ray ary ny mpitondratena.\u2019 Dia hamaly ny olona rehetra hoe: \u2018Amena!\u2019",
"20": "\u201c\u2018Voaozona izay manao firaisana amin\u2019ny vadin\u2019ny rainy, satria manala baraka ny rainy izy.\u2019 Dia hamaly ny olona rehetra hoe: \u2018Amena!\u2019",
"21": "\u201c\u2018Voaozona izay manao firaisana amin\u2019ny biby.\u2019 Dia hamaly ny olona rehetra hoe: \u2018Amena!\u2019",
"22": "\u201c\u2018Voaozona izay manao firaisana amin\u2019ny anabaviny, na amin\u2019ny zanakavavin\u2019ny rainy, na amin\u2019ny zanakavavin\u2019ny reniny.\u2019 Dia hamaly ny olona rehetra hoe: \u2018Amena!\u2019",
"23": "\u201c\u2018Voaozona izay manao firaisana amin\u2019ny rafozambaviny.\u2019 Dia hamaly ny olona rehetra hoe: \u2018Amena!\u2019",
"24": "\u201c\u2018Voaozona izay miafina mba hamono olona ka mahafaty azy.\u2019 Dia hamaly ny olona rehetra hoe: \u2018Amena!\u2019",
"25": "\u201c\u2018Voaozona izay mandray kolikoly mba hamonoana olona tsy manan-tsiny.\u2019 Dia hamaly ny olona rehetra hoe: \u2018Amena!\u2019",
"26": "\u201c\u2018Voaozona izay tsy manaraka an\u2019izay voalazan\u2019ity Lal\u00e0na ity, izany hoe tsy mankat\u00f2 ny Lal\u00e0na.\u2019 Dia hamaly ny olona rehetra hoe: \u2018Amena!\u2019"
},
"28": {
"1": "\u201cRaha tena mihaino ny feon\u2019i Jehovah Andriamanitrao ianao, ka mankat\u00f2 ny didiny rehetra omeko anao androany, dia tena hasandratr\u2019i Jehovah Andriamanitrao ho ambony noho ny firenena rehetra eto ambonin\u2019ny tany.",
"2": "Ary ho tonga aminao sady hahatratra anao ireto fitahiana rehetra ireto, satria ianao mihaino ny feon\u2019i Jehovah Andriamanitrao foana:",
"3": "\u201cHotahina ianao ao an-tan\u00e0na, ary hotahina koa any an-tsaha.",
"4": "\u201cHotahina ny zanakao sy ny vokatry ny taninao ary ny zanaky ny biby fiompinao, na ny zanak\u2019ombinao izany na ny zanak\u2019ondrinao.",
"5": "\u201cHotahina ny haronao sy ny vilia famolavolanao koba.",
"6": "\u201cHotahina ianao rehefa miditra, ary hotahina rehefa mivoaka.",
"7": "\u201cHataon\u2019i Jehovah resinao izay fahavalo miady aminao. Lalana iray no handehanany rehefa hanafika anao izy, fa lalana fito kosa no handosirany anao.",
"8": "Hamoaka didy koa i Jehovah hoe hotahina ny trano fitehirizam-bokatrao sy izay rehetra ataonao, ka tena hotahiny tokoa ianao eo amin\u2019ilay tany homen\u2019i Jehovah Andriamanitrao anao.",
"9": "Hataon\u2019i Jehovah vahoaka masina ho an\u2019ny tenany ianao, araka izay nianianany taminao, satria ankatoavinao foana ny didin\u2019i Jehovah Andriamanitrao, sady arahinao ny lalana atorony.",
"10": "Dia ho hitan\u2019ny firenena rehetra eto ambonin\u2019ny tany fa antsoina amin\u2019ny anaran\u2019i Jehovah ianao, ka hatahotra anao izy ireo.",
"11": "\u201cAry hataon\u2019i Jehovah lasa be dia be ny zanakao sy ny biby fiompinao ary ny vokatry ny taninao, eo amin\u2019ilay tany nianianan\u2019i Jehovah tamin\u2019ny razambenao hoe homena anao.",
"12": "Hosokafan\u2019i Jehovah ho anao ny lanitra, izay fitehirizany vokatra be dia be, ka handatsaka orana ara-potoana eo amin\u2019ny taninao izy sady hitahy an\u2019izay rehetra ataonao. Dia hampindrana zavatra ny firenena maro ianao, fa ianao kosa tsy mba hindrana.",
"13": "Hataon\u2019i Jehovah lohany ianao fa tsy rambony. Ary ho eny amin\u2019 ny fara tampony ianao, fa tsy ho eny amin\u2019ny farany ambany, raha ankatoavinao foana ny didin\u2019i Jehovah Andriamanitrao, dia ny didy omeko anao androany mba hankatoavinao sy hotanterahinao.",
"14": "Araho foana ny teny rehetra andidiako anareo androany, ka aza mivily miankavanana na miankavia. Aza manaraka andriamani-kafa na manompo an\u2019ireny.",
"15": "\u201cRaha tsy mihaino ny feon\u2019i Jehovah Andriamanitrao kosa ianao, ka tsy mankat\u00f2 ny didiny rehetra sy ny lal\u00e0ny omeko anao androany, dia ho tanteraka aminao ireto ozona rehetra ireto, sady hahatratra anao:",
"16": "\u201cHo voaozona ianao ao an-tan\u00e0na, ary ho voaozona any an-tsaha.",
"17": "\u201cHo voaozona ny haronao sy ny vilia famolavolanao koba.",
"18": "\u201cHo voaozona ny zanakao sy ny vokatry ny taninao ary ny zanak\u2019ombinao sy ny zanak\u2019ondrinao.",
"19": "\u201cHo voaozona ianao rehefa miditra, ary ho voaozona rehefa mivoaka.",
"20": "\u201cHozonin\u2019i Jehovah ianao amin\u2019izay rehetra ataonao ka hataony misahotaka sady hosaziny, mandra-pahalany ringana anao sy mandra-paharipaka anao haingana. Nanao ratsy foana mantsy ianao sady nahafoy ahy.",
"21": "Hataon\u2019i Jehovah miraikitra aminao ny aretina, mandra-pandripak\u2019Andriamanitra anao tanteraka eo amin\u2019ilay tany halainao ho anao.",
"22": "Hataon\u2019i Jehovah voan\u2019ny tioberkilaozy sy ny fanaviana mahery ary ny hoditra mitera-mena ianao, sady hataony miakatra be ny hafananao. Hasiany amin\u2019ny sabatra koa ianao, ary hataony mainan\u2019ny rivotra mahamay sy tratran\u2019ny aretin-javamaniry ny volinao. Dia hanenjika anao ireo mandra-paharipaka anao.",
"23": "Hohidiako ny lanitra eo ambony lohanao mba tsy handatsaka orana, ary hataoko tsy mamokatra ny tany eo ambany tongotrao.",
"24": "Fasika sy vovoka no ranonorana harotsak\u2019i Jehovah avy any an-danitra eo amin\u2019ny taninao, mandra-pahalany ringana anao.",
"25": "Hataon\u2019i Jehovah resin\u2019ny fahavalonao ianao. Lalana iray no handehananao rehefa hanafika azy ireo ianao, fa lalana fito kosa no handosiranao azy. Hihorohoro ny fanjakana rehetra eran-tany rehefa mahita an\u2019izay manjo anao.",
"26": "Ho lasa sakafon\u2019ny voro-manidina rehetra eny amin\u2019ny lanitra sy ny bibidia ny fatinao, nefa tsy hisy hampatahotra an\u2019ireny biby ireny ka hampandositra azy.",
"27": "\u201cHasian\u2019i Jehovah amin\u2019ny vain\u2019i Ejipta sy ny hemoroida sy ny aretin-koditra mitera-mena ary ny aretin-koditra mibontsimbontsina ianao, ka tsy ho sitrana amin\u2019ireny mihitsy.",
"28": "Ary hataon\u2019i Jehovah lasa adala sy jamba ianao, ary mikorontan-tsaina.",
"29": "Hitsapatsapa ianao amin\u2019ny mitataovovonana, hoatran\u2019ny jamba mitsapatsapa ao anaty haizina, ka tsy hahomby daholo izay hataonao. Dia hisy hanambaka sy handroba foana ianao, nefa tsy hisy hamonjy.",
"30": "Hanana fofombady ianao, saingy hisy lehilahy hanolana azy. Hanamboatra trano ianao, nefa tsy hipetraka ao, ary hamboly voaloboka, nefa tsy hisantatra ny vokatra.",
"31": "Hovonoina eo imasonao ny ombinao, nefa ianao tsy mba hihinana ny henany. Hisy hangalatra eo imasonao ny ampondranao, nefa tsy haverina aminao. Homena ho an\u2019ny fahavalonao ny ondrinao, nefa tsy hisy hamonjy anao.",
"32": "Homena ho an\u2019ny firenen-kafa ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy, ary ho hitanao mihitsy izany. Halahelo azy ireo foana ianao amin\u2019izay, saingy tsy ho afa-manoatra.",
"33": "Hohanin\u2019ny firenen-kafa tsy fantatrao ny vokatry ny taninao sy ny zavatra vokarinao rehetra. Ary hisy hanambaka sy hampijalijaly foana ianao.",
"34": "Ho lasa adala ianao noho ny zavatra hitan\u2019ny masonao.",
"35": "\u201cHasian\u2019i Jehovah amin\u2019ny vay mampanaintaina be sady tsy mety sitrana ianao, eo amin\u2019ny lohalikao sy ny tongotrao, ary hatrany an-tampon-dohanao ka hatrany am-paladianao.",
"36": "Horoahin\u2019i Jehovah hankany amin\u2019ny firenena tsy fantatrao sy tsy fantatry ny razambenao ianao sy ny mpanjaka apetrakao hitondra anao. Rehefa any ianao dia hanompo andriamani-kafa, dia andriamanitra vato aman-kazo.",
"37": "Dia hihorohoro daholo ny firenena rehefa mahita an\u2019izay manjo anao, ary hesoesoiny sy hataony fihomehezana ianao, any amin\u2019ny firenena rehetra hitondran\u2019i Jehovah anao.",
"38": "\u201cBe dia be ny voa hoentinao hafafy any an-tsaha, saingy kely ny vokatra hangoninao, satria ho lanin\u2019ny valala izany.",
"39": "Hamboly voaloboka sy hikarakara an\u2019ilay izy ianao, saingy tsy hisotro divay na dia kely aza sady tsy hioty na inona na inona, satria ho lanin\u2019ny kankana izany.",
"40": "Hanana hazo oliva ianao manerana ny taninao, nefa tsy hihosotra menaka satria hihintsana ny olivanao.",
"41": "Hiteraka zanakalahy sy zanakavavy ianao, saingy tsy ho anao foana izy ireo satria ho lasa babo.",
"42": "Ho rakotra bibikely mifanaretsaka ny hazonao rehetra sy ny vokatry ny taninao.",
"43": "Ary hisondrotra ho ambony kokoa noho ianao foana ny vahiny mipetraka eo aminao, fa ianao kosa hietry ho ambany kokoa foana.",
"44": "Hampindrana zavatra anao izy, fa ianao kosa tsy mba hampindrana azy. Izy ho lohany, fa ianao kosa ho rambony.",
"45": "\u201cHo tanteraka aminao ireo ozona rehetra ireo, ary hanenjika anao ka hahatratra anao mandra-pahalany ringana anao. Tsy nihaino ny feon\u2019i Jehovah Andriamanitrao mantsy ianao ka tsy nankat\u00f2 ny didiny sy ny lal\u00e0ny nandidiany anao.",
"46": "Ho tanteraka aminao sy ny taranakao foana ireo, ka ho famantarana sy anatra mandrakizay,",
"47": "satria ianao tsy mba falifaly sy ravoravo rehefa nanompo an\u2019i Jehovah Andriamanitrao, nefa ianao nanan-javatra be dia be.",
"48": "Halefan\u2019i Jehovah hiady aminao ny fahavalonao, dia hanompo an\u2019ireny ianao nefa ianao noana sy mangetaheta, sady zara raha mitafy sy tsy manana na inona na inona. Ary hasiany zioga vy eo amin\u2019ny vozonao, mandra-pandringany tanteraka anao.",
"49": "\u201cHisy firenena avy any lavitra, avy any amin\u2019ny faran\u2019ny tany, hampirisihin\u2019i Jehovah hiady aminao. Hifaoka tampoka toy ny voromahery ilay firenena. Fiteny tsy ho azonao no ampiasainy,",
"50": "ary masiaka be ny endriny ka tsy hiantrany ny antitra sady tsy horaharahiany ny tanora.",
"51": "Hohanin\u2019izy ireo ny zanaky ny biby fiompinao sy ny vokatry ny taninao, mandra-pahalany ringana anao. Tsy hisy havelany ho anao na varimbazaha, na divay vaovao, na menaka, na zanak\u2019omby, na zanak\u2019ondry, mandra-pandringany tanteraka anao.",
"52": "Hataony fahirano ianao ka hohidiany ao amin\u2019ny tan\u00e0nanao rehetra manerana ny taninao, mandra-pirodan\u2019ny mandanao, dia ireo manda avo sy voaro mafy itokisanao. Hataony fahirano tokoa ianao ao amin\u2019ny tan\u00e0nanao rehetra manerana an\u2019ilay tany omen\u2019i Jehovah Andriamanitrao anao.",
"53": "Dia hohaninao ny zanaka nomen\u2019i Jehovah Andriamanitrao anao. Hohaninao tokoa ny nofon\u2019ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy, satria ho mafy be ilay fahirano sady hataon\u2019ny fahavalonao mijalijaly ianao.",
"54": "\u201cNa ny lehilahy miaingitraingitra sy sarotsarotiny indrindra eo aminao aza tsy hiantra ny rahalahiny sy ny vady malalany ary ny zanany sisa miangana.",
"55": "Tsy hisy hozarainy amin\u2019izy ireo ny nofon-janany izay hohaniny, satria tsy manana na inona na inona intsony izy. Ho mafy be mantsy ilay fahirano sady hataon\u2019ny fahavalonao mijalijaly ny olona ao an-tan\u00e0nanao.",
"56": "Ary ny vehivavy miaingitraingitra sy sarotsarotiny eo aminao, izay tsy te hanitsaka ny tany amin\u2019ny faladiany akory fa miaingitraingitra be, dia tsy hiantra ny vady malalany na ny zanany lahy na ny zanany vavy,",
"57": "satria tsy tiany homena azy ireo ny tav\u00f2ny mivoaka avy eo anelakela-peny sy ny zaza naterany. Hohaniny mangingina mantsy ny zaza naterany sy ny tav\u00f2niny, satria ho mafy be ilay fahirano, sady hataon\u2019ny fahavalonao mijalijaly ny olona ao an-tan\u00e0nanao.",
"58": "\u201cRaha tsy arahinao tsara ny teny rehetra ao amin\u2019ny Lal\u00e0na voasoratra ato amin\u2019ity boky ity, ary tsy atahoranao ilay anarana be voninahitra sy mendrika hatahorana, izany hoe ny anaran\u2019i Jehovah Andriamanitrao,",
"59": "dia hasian\u2019i Jehovah amin\u2019ny loza mahery vaika ianao sy ny taranakao, dia loza lehibe sady maharitra, ary aretina mampijalijaly sady tsy mety sitrana.",
"60": "Ary haveriny aminao ireny aretina rehetra tany Ejipta natahoranao ireny, ka tsy hiala aminao mihitsy.",
"61": "Na ny aretina sy ny loza rehetra tsy voasoratra ato amin\u2019ity boky misy ny Lal\u00e0na ity koa aza hataon\u2019i Jehovah mamely anao, mandra-pahalany ringana anao.",
"62": "Na dia maro be hoatran\u2019ny kintana eny amin\u2019ny lanitra aza ianareo, dia ho lasa vitsy kely sisa, satria tsy nihaino ny feon\u2019i Jehovah Andriamanitrareo.",
"63": "\u201cFaly er\u1ef3 i Jehovah taloha rehefa nataony nandeha tsara ny fiainanareo sady nataony lasa be dia be ianareo. Dia hoatr\u2019izany koa fa ho faly i Jehovah handringana anareo sy handripaka anareo. Fa hesorina hiala eo amin\u2019ilay tany efa halainareo ho anareo ianareo.",
"64": "\u201cAry haparitak\u2019i Jehovah any amin\u2019ny firenena rehetra ianao, hatrany amin\u2019ny faran\u2019ny tany anankiray ka hatrany amin\u2019ny faran\u2019ny tany anankiray, ka any ianao no hanompo andriamanitra vato aman-kazo, izay tsy fantatrao sy ny razambenao.",
"65": "Tsy hiadana mihitsy ianao any amin\u2019ireo firenena ireo, sady tsy hahita toerana hametrahanao ny faladianao. Hataon\u2019i Jehovah mitebiteby ny fonao any, sady ho reraka ny masonao ary ho kivy be ianao.",
"66": "Tena hatahorana ny ainao, ary hihorohoro andro aman\u2019alina ianao, ka tsy hanampo ny ho velona intsony.",
"67": "Amin\u2019ny maraina dia hilaza ianao hoe: \u2018Raha mba alina mantsy ny andro!\u2019, ary amin\u2019ny alina indray hilaza hoe: \u2018Raha mba maraina mantsy ny andro!\u2019 Fa hatahotra be ny fonao noho izay ho hitan\u2019ny masonao.",
"68": "Ary hoentin\u2019i Jehovah an-tsambo hiverina any Ejipta ianao, amin\u2019ilay lalana efa nolazaiko taminao hoe: \u2018Tsy hahita an\u2019io lalana io intsony ianareo.\u2019 Hivarotra ny tenanareo amin\u2019ny fahavalonareo ianareo any, mba ho lasa andevolahy sy andevovavy, saingy tsy hisy mpividy.\u201d"
},
"29": {
"1": "Izao no voalazan\u2019ny fifanekena nasain\u2019i Jehovah nataon\u2019i Mosesy tamin\u2019ny vahoakan\u2019Israely tany Moaba, ankoatra an\u2019ilay fifanekena nifanaovany tamin\u2019izy ireo tany Horeba.",
"2": "Dia nantsoin\u2019i Mosesy ny Israely rehetra, ka hoy izy: \u201cEfa hitanareo daholo izay nataon\u2019i Jehovah teo imasonareo tany Ejipta. Hitanareo tokoa ny nataony tamin\u2019i Farao sy ny mpanompony rehetra ary ny taniny manontolo,",
"3": "dia ny sazy henjana efa hitan\u2019ny masonareo, izany hoe ireny famantarana lehibe sy fahagagana ireny.",
"4": "Tsy nomen\u2019i Jehovah fo hahazo ny dikan\u2019izay henonareo anefa ianareo hatramin\u2019izao, na maso hahita, na sofina haheno.",
"5": "\u2018Nandritra an\u2019izay 40\u00a0taona nitarihako anareo tany an-tany efitra izay, dia tsy lasa tonta ny akanjonareo, ary tsy simba ny kapa teny an-tongotrareo.",
"6": "Tsy nihinana mofo ianareo, ary tsy nisotro divay na toaka. Nikarakara anareo anefa aho mba hahafantaranareo fa izaho no Jehovah Andriamanitrareo.\u2019",
"7": "Farany, dia tonga teto amin\u2019ity toerana ity ianareo. Ary nivoaka hiady tamintsika i Sihona mpanjakan\u2019i Hesbona sy Oga mpanjakan\u2019i Basana, nefa resintsika.",
"8": "Dia nalaintsika ny taniny, ka nomentsika ho lovan\u2019ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon\u2019ny Manasita.",
"9": "Koa araho izay voalazan\u2019ity fifanekena ity ka ankatoavy, mba hahomby izay rehetra ataonareo.",
"10": "\u201cEto anatrehan\u2019i Jehovah Andriamanitrareo ianareo rehetra androany, dia ny lehiben\u2019ny fokonareo, ny anti-panahy, ny mpifehy eo aminareo, ny lehilahy rehetra eo amin\u2019ny Israely,",
"11": "ny zanakareo, ny vadinareo, ary ny vahiny mipetraka ao an-tobinareo, hatramin\u2019ny mpaka kitay ka hatramin\u2019ny mpantsaka rano.",
"12": "Eto ianareo mba hianiana sy hanao fifanekena amin\u2019i Jehovah Andriamanitrareo, dia ilay fifanekena ataon\u2019i Jehovah Andriamanitrareo aminareo anio.",
"13": "Amin\u2019izay dia hataony vahoakany ianareo anio ary izy ho Andriamanitrareo, araka izay nampanantenainy anareo, sy nianianany tamin\u2019i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razambenareo.",
"14": "\u201cTsy aminareo ihany anefa no anaovako an\u2019ity fifanekena sy fianianana ity,",
"15": "fa amin\u2019izay miara-mijoro amintsika eto androany koa, eto anatrehan\u2019i Jehovah Andriamanitsika, sy amin\u2019izay tsy miaraka amintsika eto androany.",
"16": "\u2014Fantatrareo tsara mantsy hoe nanao ahoana ny fiainantsika tany Ejipta. Fantatrareo tsara koa fa nandalo tao amin\u2019ny tanin\u2019ny firenena samihafa isika tamin\u2019ilay diantsika.",
"17": "Ary hitanareo ny zava-maharikoriko notompoin\u2019izy ireo sy ny sampiny maharikoriko vita amin\u2019ny vato aman-kazo sy volafotsy ary volamena, izay teo amin\u2019izy ireo.\u2014",
"18": "Tandremo \u00e0ry mba tsy hisy aminareo, na lehilahy, na vehivavy, na fianakaviana, na foko, hanana fo ratsy ka hiala amin\u2019i Jehovah Andriamanitsika dia handeha hanompo ny andriamanitr\u2019ireny firenena ireny. Tandremo koa mba tsy hisy faka mitsimoka ho lasa zavamaniry misy poizina sy mangidy be eo aminareo.",
"19": "\u201cRaha misy anefa maheno an\u2019izay voalazan\u2019ity fianianana ity, nefa mirehareha ao am-pony hoe: \u2018Hiadana ihany aho na dia hanaraka ny ditran\u2019ny foko aza!\u2019, hany ka mahita loza daholo izay zava-drehetra lalovany,",
"20": "dia tsy hanaiky hamela ny helony i Jehovah. Ho tezitra be amin\u2019izany olona izany kosa i Jehovah, ka ho tanteraka aminy daholo ny ozona rehetra voasoratra ato amin\u2019ity boky ity. Ary hofoanan\u2019i Jehovah eny ambanin\u2019ny lanitra ny anarany.",
"21": "Dia hosarahin\u2019i Jehovah amin\u2019ny foko rehetra eo amin\u2019ny Israely izy ka hataony tratran\u2019ny loza, araka ny ozona rehetra ao amin\u2019ilay fifanekena voasoratra ato amin\u2019ity boky misy ny Lal\u00e0na ity.",
"22": "\u201cRehefa mahita ny loza sy ny aretina halefan\u2019i Jehovah amin\u2019ity tany ity ny taranaka handimby ny zanakareo sy ny vahiny avy any an-tany lavitra,\u2014",
"23": "fa ho hitan\u2019izy ireo hoe ho ravaravan\u2019ny solifara sy ny sira ary ny afo mandoro ilay tany manontolo ka tsy hamafazam-boa sady tsy hisy voa hitsimoka na zavatra haniry, hoatran\u2019ny nandravana an\u2019i Sodoma sy Gomora sy Adma ary Zeboima, izay noravan\u2019i Jehovah satria tezitra be izy sady nisafoaka\u2014",
"24": "dia hanontany izy ireo sy ny firenena rehetra hoe: \u2018Maninona io tany io no nataon\u2019i Jehovah hoatr\u2019izao? Fa maninona izy no tena tezitra be?\u2019",
"25": "Dia hilaza ny olona hoe: \u2018Satria ry zareo nivadika tamin\u2019ilay fifanekena nataon\u2019i Jehovah Andriamanitry ny razambeny tamin\u2019izy nitondra an-dry zareo nivoaka avy tany Ejipta.",
"26": "Lasa nanompo andriamani-kafa mantsy ry zareo, sady niankohoka teo anatrehan\u2019ireny, dia andriamanitra tsy fantany sady tsy navelan\u2019Andriamanitra hotompoiny.",
"27": "Dia tezitra be tamin\u2019io tany io i Jehovah, ka nataony tanteraka aminy daholo ny ozona rehetra voasoratra ato amin\u2019ity boky ity.",
"28": "Koa tezitra be sy vinitra ary nisafoaka i Jehovah, ka nanongotra an-dry zareo teo amin\u2019ny taniny, ary nandefa azy tany an-tany hafa, dia ilay tany misy azy amin\u2019izao.\u2019",
"29": "\u201cFantatr\u2019i Jehovah Andriamanitsika ny zava-miafina rehetra. Mampiharihary zavatra amintsika sy ny taranatsika fara aman-dimby anefa izy, mba hankatoavantsika an\u2019izay voalazan\u2019ity Lal\u00e0na ity."
},
"30": {
"1": "\u201cRehefa tanteraka aminao daholo ireo teny ireo, izany hoe ny fitahiana sy ny ozona izay nasaiko nisafidiananao, ka tsaroanao ireo any amin\u2019ny firenena rehetra anaparitahan\u2019i Jehovah Andriamanitrao anao,",
"2": "ary miverina amin\u2019i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mihaino ny feony ianao sy ny zanakao, araka ny didy rehetra omeko anao anio, sady manao an\u2019izany amin\u2019ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo,",
"3": "dia hoentin\u2019i Jehovah Andriamanitrao miverina ny vahoakanao natao babo, ary hiantra anao izy ka hanangona anao indray avy any amin\u2019ny firenena rehetra anaparitahan\u2019i Jehovah Andriamanitrao anao.",
"4": "Na dia miparitaka hatrany amin\u2019ny faravodilanitra aza ny vahoakanao, dia avy any no hanangonan\u2019i Jehovah Andriamanitrao anao sy hamerenany anao.",
"5": "Ary hampidirin\u2019i Jehovah Andriamanitrao ao amin\u2019ilay tany nalain\u2019ny razambenao ho fananany ianao, ka ho lasanao izy io. Dia hataony mandeha tsara ny fiainanao, sady hataony lasa be dia be mihoatra noho ny razambenao ianao.",
"6": "Ary hodiovin\u2019i Jehovah Andriamanitrao ny fonao sy ny fon\u2019ny taranakao, mba ho tia an\u2019i Jehovah Andriamanitrao amin\u2019ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo ianao ka ho velona.",
"7": "Avy eo dia hataon\u2019i Jehovah Andriamanitrao tratran\u2019ireo ozona rehetra ireo ny fahavalo nankahala sy nampijaly anao.",
"8": "\u201cDia hiverina ianao ka hihaino ny feon\u2019i Jehovah, ary hankat\u00f2 ny didiny rehetra izay andidiako anao androany.",
"9": "Hataon\u2019i Jehovah Andriamanitrao be dia be ny vokatry ny asan\u2019ny tananao rehetra, ary hataony maro be ny zanakao sy ny biby fiompinao ary ny vokatry ny taninao. Fa ho faly indray i Jehovah hanao izay hiadananao, hoatran\u2019ny nataony tamin\u2019ny razambenao.",
"10": "Hihaino ny feon\u2019i Jehovah Andriamanitrao mantsy ianao amin\u2019izay fotoana izay, sady hankat\u00f2 ny didiny sy ny lal\u00e0ny voasoratra ato amin\u2019ity boky misy ny Lal\u00e0na ity, ary hiverina amin\u2019i Jehovah Andriamanitrao amin\u2019ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo.",
"11": "\u201cTsy sarotra loatra aminao izany didy omeko anao androany izany, sady tsy lavitra loatra anao.",
"12": "Tsy any an-danitra ilay izy, ka hilaza ianao hoe: \u2018Iza no hiakatra any an-danitra haka an\u2019izany ho antsika, mba ho afaka hihaino sy hankat\u00f2 an\u2019izany isika?\u2019",
"13": "Tsy any ampitan-dranomasina koa ilay izy, ka hilaza ianao hoe: \u2018Iza no hiampita ranomasina haka an\u2019izany ho antsika, mba hahafahantsika mihaino sy mankat\u00f2 an\u2019izany?\u2019",
"14": "Fa tena eo akaikinao, izany hoe eo am-bavanao sy ao am-ponao, ny teny mba harahinao.",
"15": "\u201cOmeko safidy ianareo androany hoe fiainana sy fitahiana sa fahafatesana sy loza.",
"16": "Raha mihaino ny didin\u2019i Jehovah Andriamanitrao izay andidiako anao androany ianao, ka tia an\u2019i Jehovah Andriamanitrao sy mandeha amin\u2019ny lalana atorony ary mankat\u00f2 ny didiny sy ny lal\u00e0ny ary ny didim-pitsarany, dia ho velona ianao sady ho lasa maro be, ary hitahy anao i Jehovah Andriamanitrao any amin\u2019ilay tany halainao ho fanananao.",
"17": "\u201cFa raha mivily kosa ny fonao, ka tsy mihaino ianao, fa voafitaka ka lasa miankohoka eo anatrehan\u2019ny andriamani-kafa ary manompo an\u2019ireny,",
"18": "dia lazaiko aminareo androany fa tena ho ripaka ianareo. Tsy ho ela velona ianareo eo amin\u2019ilay tany halehanareo eny ampitan\u2019i Jordana izay efa halainareo ho fanananareo.",
"19": "Miantso ny lanitra sy ny tany aho izao ho vavolombelona hiampanga anareo, fa efa nomeko safidy ianareo hoe fiainana sa fahafatesana, ary fitahiana sa ozona. Koa fidio ny fiainana mba ho velona ianao sy ny taranakao,",
"20": "ka tiavo i Jehovah Andriamanitrao, henoy ny feony, ary mifikira aminy. Fa izy no manome fiainana anao sy mahatonga anao ho ela velona eo amin\u2019ilay tany nianianan\u2019i Jehovah hoe homena an\u2019i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razambenao.\u201d"
},
"31": {
"1": "Dia nankeo amin\u2019ny Israely rehetra i Mosesy ka niteny an\u2019ireto teny ireto:",
"2": "\u201cEfa 120\u00a0taona aho izao. Tsy afaka mitarika anareo intsony aho, satria nilaza tamiko i Jehovah hoe: \u2018Tsy hiampita an\u2019io Jordana io ianao.\u2019",
"3": "I Jehovah Andriamanitrareo no hiampita eo alohanareo. Izy no handringana an\u2019ireo firenena ireo eo imasonareo, ary ianareo no handroaka an\u2019ireo, ka i Josoa no hitarika anareo hiampita, araka izay nolazain\u2019i Jehovah.",
"4": "Hoatran\u2019ny nataon\u2019i Jehovah tamin\u2019izy nandringana an\u2019i Sihona sy Oga mpanjakan\u2019ny Amorita sy nandrava ny taniny, no hataony amin\u2019ireo.",
"5": "Dia hataon\u2019i Jehovah resinareo ry zareo, ka ataovy aminy izay rehetra nandidiako anareo.",
"6": "Man\u00e0na herim-po ary mahereza! Aza matahotra na mihorohoro eo anatrehany, satria i Jehovah Andriamanitrareo no miara-mandeha aminareo. Tsy handao anareo izy ary tsy hahafoy anareo mihitsy.\u201d",
"7": "Niantso an\u2019i Josoa i Mosesy avy eo, ka nilaza taminy teo imason\u2019ny Israely rehetra hoe: \u201cMan\u00e0na herim-po ary mahereza, fa ianao no hitarika an\u2019ity vahoaka ity hiditra ao amin\u2019ilay tany nianianan\u2019i Jehovah tamin\u2019ny razambeny hoe homena azy, ary ianao no hanome an\u2019ilay izy ho lovan\u2019izy ireo.",
"8": "I Jehovah no mandeha eo alohanao, ary hanampy anao foana izy. Tsy handao anao izy ary tsy hahafoy anao mihitsy. Koa aza matahotra na mihorohoro.\u201d",
"9": "Avy eo dia nosoratan\u2019i Mosesy ity Lal\u00e0na ity, dia nomeny an\u2019ireo Levita mpisorona nilanja ny Vata misy ny fifanekena nataon\u2019i Jehovah, sy ny anti-panahy rehetra teo amin\u2019ny Israely.",
"10": "Nandidy azy ireo koa i Mosesy hoe: \u201cIsaky ny fito taona, izany hoe amin\u2019ny fotoana voatondro amin\u2019ny taona famelana trosa, mandritra ny Fetin\u2019ny Trano Rantsankazo,",
"11": "rehefa mankeo anatrehan\u2019i Jehovah Andriamanitrareo any amin\u2019ny toerana fidiny ny Israely rehetra, dia tokony hovakinareo ho henon\u2019ny Israely rehetra ity Lal\u00e0na ity.",
"12": "Vorio daholo ny vahoaka, dia ny lehilahy, ny vehivavy, ny ankizy, ary ny vahiny mipetraka ao an-tan\u00e0nanareo. Dia amin\u2019izay izy ireo hihaino sy hianatra momba an\u2019i Jehovah Andriamanitrareo ary hatahotra azy, ka hanaraka tsara an\u2019izay rehetra voalazan\u2019ity Lal\u00e0na ity.",
"13": "Dia hihaino sy hianatra hatahotra an\u2019i Jehovah Andriamanitrareo ny zanany izay tsy mahafantatra an\u2019ity Lal\u00e0na ity, mandritra ny androm-piainanareo ao amin\u2019ilay tany halainareo ho fanananareo eny ampitan\u2019i Jordana.\u201d",
"14": "Avy eo, dia hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy: \u201cTsy ho ela dia ho faty ianao. Koa antsoy i Josoa, dia mandehana ao amin\u2019ny tranolay fihaonana ianareo fa hanendry azy aho.\u201d Dia nandeha nankao amin\u2019ny tranolay fihaonana i Mosesy sy Josoa.",
"15": "Ary niseho teo amin\u2019ny tranolay fihaonana i Jehovah, tao anatin\u2019ny andry rahona. Dia nijanona teo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ny tranolay fihaonana ilay andry rahona.",
"16": "Ary hoy i Jehovah tamin\u2019i Mosesy: \u201cEfa ho faty ianao izao, dia hanomboka hivaro-tena amin\u2019ny andriamani-kafa manodidina azy ity vahoaka ity, any amin\u2019ilay tany halehany. Ary hahafoy ahy izy ireo, ka hivadika amin\u2019ilay fifanekena nataoko taminy.",
"17": "Dia ho tezitra be amin-dry zareo aho, ka hafoiko izy ireo. Handao an-dry zareo aho mandra-paharipaka azy ireo. Rehefa tratran\u2019ny loza be dia be sy mijalijaly izy ireo any aoriana any, dia hiteny hoe: \u2018Tsy eto amintsika ny Andriamanitsika, koa aiza moa isika no tsy ho tratran\u2019izao loza izao?\u2019",
"18": "Fa handao an-dry zareo aho amin\u2019izay andro izay, satria manao an\u2019ireny zava-dratsy rehetra ireny izy ireo ka manompo andriamani-kafa.",
"19": "\u201cSoraty \u00e0ry izao hira izao, dia ampianaro ny Israelita. Asaivo ianarany ilay izy mba ho vavolombelona hiampanga ny vahoakan\u2019Israely.",
"20": "Hoentiko any amin\u2019ilay tany nianianako tamin\u2019ny razambeny izy ireo, dia ilay tany tondra-dronono sy tantely. Hihinana izy ireo dia ho voky sady hiadana. Amin\u2019izay fotoana izay dia hanaraka andriamani-kafa sy hanompo an\u2019ireny izy ireo, ary tsy hanaja ahy sady hivadika amin\u2019ilay fifanekena nataoko.",
"21": "Rehefa tratran\u2019ny loza be dia be sy mijalijaly ry zareo, dia ho lasa vavolombelona hiampanga an-dry zareo io hira io. Fa tsy tokony hohadinoin\u2019ny taranany mihitsy ilay hira. Efa fantatro tsara mantsy ny ao an-tsainy, na dia mbola tsy ampidiriko ao amin\u2019ilay tany nianianako taminy aza izy.\u201d",
"22": "Dia nosoratan\u2019i Mosesy tamin\u2019iny andro iny ihany \u00e0ry ilay hira, ka nampianariny an\u2019ireo Israelita.",
"23": "Nanendry an\u2019i Josoa zanak\u2019i Nona izy avy eo sady niteny hoe: \u201cMan\u00e0na herim-po ary mahereza, fa ianao no hitarika ny Israelita hiditra ao amin\u2019ilay tany nianianako tamin\u2019izy ireo, ary hanampy anao foana aho.\u201d",
"24": "Raha vao avy nanoratra ny teny rehetra ato amin\u2019ity Lal\u00e0na ity tao amin\u2019ny boky i Mosesy,",
"25": "dia nandidy an\u2019ireo Levita nilanja ny Vata misy ny fifanekena nataon\u2019i Jehovah izy hoe:",
"26": "\u201cAlaivo ity boky misy ny Lal\u00e0na ity, dia apetraho eo akaikin\u2019ilay Vata misy ny fifanekena nataon\u2019i Jehovah Andriamanitrareo, fa eo izy io no ho vavolombelona hiampanga anareo.",
"27": "Fantatro tsara mantsy fa mpikomy ianareo sady mafy loha. Mbola velona eto aminareo aza aho dia efa mikomy amin\u2019i Jehovah hoatr\u2019izao foana ianareo, koa mainka fa rehefa maty aho?",
"28": "Vorio et\u1ef3 amiko daholo ny anti-panahy eo amin\u2019ny fokonareo, sy ny mpifehy anareo, dia holazaiko aminy ireto teny ireto mba ho henony. Ary hiantso ny lanitra sy ny tany aho mba ho vavolombelona hiampanga an\u2019ireo.",
"29": "Fantatro tsara mantsy fa tsy maintsy hanao ratsy ianareo rehefa maty aho, dia hiala amin\u2019ilay lalana nasaiko narahinareo. Dia tsy maintsy ho tratran\u2019ny loza ianareo any aoriana any, satria hanao izay ratsy eo imason\u2019i Jehovah sady hampahatezitra azy noho ny zavatra ataonareo.\u201d",
"30": "Dia nolazain\u2019i Mosesy hatramin\u2019ny voalohany ka hatramin\u2019ny farany tamin\u2019ny fiangonan\u2019Israely manontolo ny tonon\u2019ity hira ity:"
},
"32": {
"1": "\u201cMihainoa, ry lanitra, fa hiteny aho, Ary aoka ny tany haheno an\u2019izay lazain\u2019ny vavako.",
"2": "Hirotsaka toy ny orana ny fampianarako, Hilatsaka tsikelikely hoatran\u2019ny ando ny teniko, Tahaka ny erika eny amin\u2019ny ahitra, Sy tahaka ny oram-be eny amin\u2019ny zavamaniry.",
"3": "Fa hilaza ny anaran\u2019i Jehovah aho. Resaho hoe tena miavaka ilay Andriamanitsika!",
"4": "Izy ilay Vatolampy! Tonga lafatra ny zavatra ataony, Fa manao ny rariny foana izy. Andriamanitra mendri-pitokisana izy, ary sanatria azy ny hanao ny tsy rariny. Marina sy mahitsy izy.",
"5": "Izy ireny no nanao ratsy. Tsy zanany ireny, fa ireny ihany no diso. Taranaka maditra sy ratsy fanahy ireny!",
"6": "Hoatr\u2019izao ve no tokony hataonao amin\u2019i Jehovah, Ry vahoaka adala sy tsy manam-pahendrena? Angaha tsy izy no Ray niteraka anao, Ilay nanao anao sy nahatonga anao ho lasa firenena?",
"7": "Tsarovy ny andro fahiny. Eritrereto ireo taona lasa niainan\u2019ny taranaka taloha. Anontanio ny rainao, fa afaka miteny aminao izy, Ary ny anti-panahy eo aminao, fa hilaza an\u2019izany aminao izy ireo.",
"8": "Rehefa nanome lova ho an\u2019ireo firenena ilay Avo Indrindra, Rehefa nozarazarainy ny taranak\u2019i Adama, Dia nofaritany ny sisin-tanin\u2019ireo firenena, Ka nataony nifanaraka tamin\u2019ny isan\u2019ny zanak\u2019Israely.",
"9": "Fa ny anjaran\u2019i Jehovah dia ny vahoakany, Ary i Jakoba no lovany.",
"10": "Nahita azy tany an-tany efitra Izy, Tany amin\u2019ny tany karakaina misy feon\u2019ny bibidia minaonaona. Nanodidina azy sy niaro azy Izy, sady nikarakara azy, Ary niaro azy hoatran\u2019ny anakandriamasony.",
"11": "Toy ny voromahery manaitaitra ny zanany ao amin\u2019ny akaniny mba hianatra hanidina, Ka manidintsidina eo ambonin\u2019ireny zanany ireny, Sy mamelatra ny elany ka mandray an\u2019ireny, Ary mitondra an\u2019ireny eo ambony elany,",
"12": "Dia hoatr\u2019izany no nitarihan\u2019i Jehovah azy, ary izy irery no nitarika azy, Fa tsy nisy andriamani-kafa niaraka taminy.",
"13": "Nentiny teny amin\u2019ireo toerana avo teto an-tany izy, Mba hihinana ny vokatry ny saha. Nomeny sakafo izy, dia tantely avy amin\u2019ny harambato, Menaka avy amin\u2019ny vatolampy,",
"14": "Dibera vita amin\u2019ny rononon\u2019omby sy rononon\u2019ondry, Ny ondry tsara indrindra, Ondrilahy avy any Basana sy osilahy, Ary varimbazaha faran\u2019izay tsara. Nomeny divay avy amin\u2019ny voaloboka nofiazana koa izy hosotroiny.",
"15": "Nikomy i Jesorona ka nandaka rehefa nihanatavy. \u2014Ry Jesorona\u00a0\u00f4, lasa natavy sy dongadonga ianao sady lasa botrefona.\u2014 Dia nahafoy an\u2019ilay Andriamanitra nanao azy izy, Ary nanao tsinontsinona an\u2019ilay Vatolampy mpamonjy azy.",
"16": "Nampisafoaka Azy izy ireo satria nivavaka tamin\u2019ny andriamani-kafa, Ary nampahatezitra Azy tamin\u2019ny zava-maharikoriko.",
"17": "Nanao sorona ho an\u2019ny demonia, fa tsy ho an\u2019Andriamanitra, izy ireo, Ho an\u2019andriamanitra tsy fantatr\u2019izy ireo, Andriamanitra vaovao izay niseho vao haingana, Sady tsy fantatry ny razambenareo.",
"18": "Nohadinoinao ilay Vatolampy rainao, Ary tsy tsaroanao ilay Andriamanitra niteraka anao.",
"19": "Rehefa hitan\u2019i Jehovah izany, dia nolaviny izy ireo, Satria nampahatezitra Azy ny zanany lahy sy ny zanany vavy.",
"20": "Hoy \u00e0ry Izy: \u2018Handao azy ireo aho, Dia ho hitako eo hoe hanao ahoana izy ireo any aoriana any. Fa taranaka ratsy toetra izy ireo, Ary zanaka tsy mendri-pitokisana.",
"21": "Nampisafoaka ahy tamin\u2019izay tsy andriamanitra izy ireo, Ary nampahatezitra ahy tamin\u2019ny sampiny tsy misy dikany. Koa hampiasa an\u2019izay tsy vahoaka akory aho mba hahatonga azy ireo hialona, Ary hampiasa firenena adaladala mba hampahatezitra azy.",
"22": "Fa nandrehitra afo ny hatezerako. Dia hirehitra hatrany amin\u2019ny Fasana ilay afo, Ka handevona ny tany sy ny vokatra eo aminy, Sady hampirehitra ny fototry ny tendrombohitra.",
"23": "Hampitomboiko ny isan\u2019ny loza mihatra aminy, Ary hotaperiko aminy ny zana-tsip\u00eckako.",
"24": "Ho reraka be izy ireo fa noana, Ary ho lanin\u2019ny fanaviana mahery sy ny fandringanana faran\u2019izay mangidy. Halefako hanaikitra azy koa ny bibidia mpihaza, Sy ny biby mandady amin\u2019ny vovoka sady misy poizina.",
"25": "Ho fatin\u2019ny sabatra ny zanak\u2019izay eny ivelany, Ary hihorohoro ny ao an-trano. Izany no hanjo ny tovolahy sy ny virjiny, Ary ny zazakely sy ny lehilahy fotsy volo.",
"26": "Saika hilaza aho hoe: \u201cHaparitako izy ireo, Ary hataoko tsy misy mahatsiaro azy intsony ny olona\u201d,",
"27": "Saingy nanahy momba izay holazain\u2019ny fahavalo aho. Mety handika vilana an\u2019izany mantsy ny mpanohitra azy, Ka hiteny hoe: \u201cIsika no tena mahery. Tsy i Jehovah no nahavita an\u2019izany rehetra izany.\u201d",
"28": "Fa firenena tsy misaina ny Israely, Sady tsy mahay na inona na inona.",
"29": "Raha mba hendry mantsy izy ireo, dia ho nisaintsaina momba an\u2019izany, Ka ho nieritreritra an\u2019izay hiafarany!",
"30": "Olon-tokana ve dia hahavita hanenjika olona 1\u00a0000, Ary roa lahy ve dia hampandositra 10\u00a0000? Raha tsy hoe nafoin\u2019ny Vatolampiny angaha izy ireny, Ary nataon\u2019i Jehovah resin\u2019ny fahavalony.",
"31": "Tsy mitovy amin\u2019ny Vatolampintsika mantsy ny vatolampin\u2019ireny, Ary na ny fahavalontsika aza niaiky an\u2019izany.",
"32": "Fa avy amin\u2019ny voalobok\u2019i Sodoma ny voalobok\u2019izy ireo, Dia avy amin\u2019ny tanimboly mikitohatohatr\u2019i Gomora. Misy poizina ny voalobok\u2019izy ireo, Ary mangidy ny voaloboka amin\u2019ny tangozany.",
"33": "Poizin\u2019ny bibilava ny divainy, Dia poizina mahafaty avy amin\u2019ny k\u00f4br\u00e0.",
"34": "Angaha tsy notehirizina at\u1ef3 amiko izany, Sady nasiana tombo-kase ao amin\u2019ny trano fitehirizako entana?",
"35": "Ahy ny famaliana ary izaho no hamaly Amin\u2019ny fotoana voatondro, rehefa mibolisatra ny tongony. Efa akaiky mantsy ny andro hahitany loza, Ary ho tonga haingana ny zavatra efa miandry azy.\u2019",
"36": "Fa hitsara ny vahoakany i Jehovah, Ary hiantra ny mpanompony izy, Rehefa hitany fa mihareraka izy ireo, Ary ny tsy misy mpiaro sy ny malemy sisa no tavela.",
"37": "Dia hilaza izy hoe: \u2018Aiza izao ireny andriamaniny ireny, Dia ny vatolampy nialokalofany,",
"38": "Izay nihinana ny tavin\u2019ny sorona natolotr\u2019izy ireo, Ary nisotro ny divay nateriny ho fanatitra zava-pisotro? Aleo ireny hitsangana hanampy anareo. Aleo ireny ho lasa toerana ialokalofanareo.",
"39": "Jereo fa izaho no izy, Fa tsy misy andriamanitra afa-tsy izaho. Izaho no mamono ho faty, ary izaho no mamelona. Izaho no mandratra mafy, ary izaho no hanasitrana. Tsy misy mahavita mamonjy an\u2019izay et\u1ef3 an-tanako.",
"40": "Manangan-tanana amin\u2019ny lanitra aho, Ka mianiana hoe: \u201cRaha mbola velona mandrakizay koa aho\u201d,",
"41": "Rehefa mandranitra ny sabatro manjelanjelatra aho, Ary miomana hampihatra didim-pitsarana, Dia hamaly faty ny fahavaloko aho, Sy hamaly an\u2019ireo mankahala ahy.",
"42": "Hataoko mamon\u2019ny ra ny zana-tsip\u00eckako, Ary hihinana nofo ny sabatro, Ka ho mamon\u2019ny ran\u2019izay novonoina ho faty sy ny ran\u2019ny babo. Ho lanin\u2019ny sabatro koa ny lohan\u2019ny mpitarika an\u2019ireo fahavalo.\u2019",
"43": "Mifalia miaraka amin\u2019ny vahoakan\u2019Andriamanitra ianareo hafa firenena! Fa hamaly ny ran\u2019ny mpanompony Izy, Ary hamaly ny nataon\u2019ny fahavalony, Sy handrakotra ny fahotan\u2019ilay tanin\u2019ny vahoakany.\u201d",
"44": "Tonga i Mosesy avy eo, ka nilaza an\u2019ilay tononkira manontolo izy sy Hosea zanak\u2019i Nona mba ho henon\u2019ny vahoaka.",
"45": "Rehefa avy nilaza an\u2019ilay tononkira manontolo tamin\u2019ny Israely rehetra i Mosesy,",
"46": "dia hoy izy: \u201cAlatsaho ao am-ponareo ny teny rehetra ampitandremako anareo androany. Amin\u2019izay dia ho afaka hiteny amin\u2019ny zanakareo ianareo hoe ankatoavy ny teny rehetra ato amin\u2019ity Lal\u00e0na ity.",
"47": "Tsy hoe teny tsy misy dikany mantsy ireo aminareo, fa iankinan\u2019ny ainareo. Ireo teny ireo koa no hahela velona anareo, eo amin\u2019ilay tany halainareo ho fanananareo eny ampitan\u2019i Jordana.\u201d",
"48": "Hoy koa i Jehovah tamin\u2019i Mosesy tamin\u2019iny andro iny:",
"49": "\u201cMiakara eo amin\u2019io tendrombohitr\u2019i Abarima io, dia ny Tendrombohitra Nebo ao Moaba, izay tandrifin\u2019i Jeriko. Dia tazano ilay tany Kanana homeko ho fananan\u2019ny Israelita.",
"50": "Ary ho faty eo amin\u2019io tendrombohitra hiakaranao io ianao, ka hangonina any amin\u2019ny razambenao, hoatran\u2019i Arona rahalahinao izay maty teo amin\u2019ny Tendrombohitra Hora ka nangonina tany amin\u2019ny razambeny.",
"51": "Nivadika tamiko teo imason\u2019ny Israelita mantsy ianareo roa lahy, teo amin\u2019ilay rano tao Meriba any Kadesy, tany an-tany efitr\u2019i Zina, sady tsy nanamasina ahy teo anatrehan\u2019ny vahoakan\u2019Israely.",
"52": "Hitazana an\u2019ilay tany avy eny lavitra ianao, saingy tsy hiditra ao amin\u2019ilay tany homeko ny vahoakan\u2019Israely.\u201d"
},
"33": {
"1": "Izao no tsodrano nolazain\u2019i Mosesy, lehilahin\u2019Andriamanitra, rehefa nitso-drano ny Israelita izy talohan\u2019ny nahafatesany.",
"2": "Hoy izy: \u201cTonga avy any Sinay i Jehovah, Ary avy tao Seira izy no namirapiratra teo amin\u2019izy ireo. Namirapiratra sy be voninahitra izy, avy tao amin\u2019ny faritra be tendrombohitr\u2019i Parana. Nisy anjely masina an\u2019alinaliny niaraka taminy, Ary teo ankavanany ny miaramilany.",
"3": "Tena tiany ny vahoakany. Eo an-tananao daholo ny olo-masin\u2019izy ireo. Nipetraka teo an-tongotrao izy ireo, Dia nohenoiny ny teninao.",
"4": "Nanome lal\u00e0na antsika i Mosesy, Ho fananan\u2019ny fiangonan\u2019i Jakoba.",
"5": "Lasa mpanjaka teo amin\u2019i Jesorona Andriamanitra, Rehefa nivory ny lohandohany teo amin\u2019ny vahoaka, Sy ny foko rehetra teo amin\u2019ny Israely.",
"6": "Aleo i Robena ho velona fa tsy ho faty, Ary enga anie mba tsy hihavitsy ny lehilahy eo aminy!\u201d",
"7": "Izao no tsodrano nolazainy momba an\u2019i Joda: \u201cHenoy ny feon\u2019i Joda, Jehovah\u00a0\u00f4, Ary enga anie ianao hamerina azy any amin\u2019ny vahoakany! Ny sandriny no niarovany ny fananany. Enga anie ianao hanampy azy hamely ny fahavalony!\u201d",
"8": "Hoy izy momba an\u2019i Levy: \u201cAn\u2019ilay tsy mivadika aminao ny Tomimanao sy ny Orimanao, An\u2019ilay notsapainao toetra tany Masa. Niady taminy ianao teo akaikin\u2019ilay rano tao Meriba,",
"9": "Dia tamin\u2019ilay lehilahy niteny tamin\u2019ny ray aman-dreniny hoe: \u2018Tsy raharahiako ianareo.\u2019 Na ny rahalahiny aza tsy nekeny, Ary tsy noraharahiany ny zanany. Fa nanaraka ny teninao izy ireo, Ary nohajainy foana ny fifanekena nataonao taminy.",
"10": "Aleo hampianariny an\u2019i Jakoba ny didim-pitsaranao, Ary hampianariny an\u2019i Israely ny Lal\u00e0nao. Aleo izy ireo hanolotra emboka manitra mba ho hanitra mahafinaritra anao, Ary hanolotra fanatitra mba hodorana manontolo eo amin\u2019ny alitaranao.",
"11": "Tahio ny heriny, Jehovah\u00a0\u00f4! Ary enga anie hahafinaritra anao ny asan\u2019ny tanany! Ataovy torotoro ny tongotr\u2019izay mitsangana hiady aminy, Mba tsy ho tafarina intsony izay mankahala azy.\u201d",
"12": "Hoy indray izy momba an\u2019i Benjamina: \u201cAleo ilay malalan\u2019i Jehovah hipetraka tsy hanana ahiahy eo akaikiny, Ary izy hanome fialofana azy mandritra ny andro manontolo. Hipetraka eo anelanelan\u2019ny sorony izy.\u201d",
"13": "Hoy izy momba an\u2019i Josefa: \u201cEnga anie hotahin\u2019i Jehovah ny taniny, Ka hahazo ny zavatra tena tsara avy any an-danitra, Dia ando sy rano avy any amin\u2019ny loharano any ambany any,",
"14": "Zavatra tena tsara entin\u2019ny masoandro, Vokatra tsara azo isam-bolana,",
"15": "Ny zavatra tsara indrindra avy amin\u2019ny tendrombohitra efa nisy hatrizay, Zavatra tena tsara eny amin\u2019ny havoana efa teo hatry ny ela,",
"16": "Ny zavatra tena tsara avy amin\u2019ny tany sy izay rehetra eo aminy, Ary ny fankasitrahan\u2019Ilay mipetraka ao amin\u2019ny voarointsilo. Enga anie izy ireny ho eo an-dohan\u2019i Josefa, Dia ho eo an-tampon-dohan\u2019ilay nosinganina tamin\u2019ny rahalahiny!",
"17": "Ny voninahiny dia hoatran\u2019ny voninahitry ny ombilahy nateraka voalohany, Ary tandrok\u2019ombidia ny tandrony. Hanoto ny vahoaka amin\u2019ireny izy, Ka hatosiny hatrany amin\u2019ny faran\u2019ny tany izy rehetra. Ireny no alinalin\u2019i Efraima, Sady arivoarivon\u2019i Manase.\u201d",
"18": "Hoy izy momba an\u2019i Zebolona: \u201cMifalia, ry Zebolona, noho ny varotra ataonao any ivelany, Ary ianao, ry Isakara, mifalia ao an-tranolainao.",
"19": "Hantsoin\u2019izy ireo ho any an-tendrombohitra ny vahoaka, Ka any izy ireo no hanao sorona araka ny fahamarinana. Fa haka amin\u2019ny harem-be any an-dranomasina izy ireo, Sady haka amin\u2019ny harena miafina ao amin\u2019ny fasika.\u201d",
"20": "Hoy kosa izy momba an\u2019i Gada: \u201cHotahina ilay manitatra ny sisin-tanin\u2019i Gada. Mamitsaka hoatran\u2019ny liona izy, Ka vonona hamiravira sandry, sy hamiravira tampon-doha mihitsy aza.",
"21": "Hifidy ny ampahany tsara indrindra izy, Satria io no anjara natokan\u2019ny mpanao lal\u00e0na homena azy. Hiara-mivory ny lohandohany eo amin\u2019ny vahoaka. Izay rariny amin\u2019i Jehovah no hampihariny, Ary hampihariny amin\u2019ny Israely ny didim-pitsarany.\u201d",
"22": "Hoy izy momba an\u2019i Dana: \u201cZana-diona i Dana. Hitsambikina avy ao Basana izy.\u201d",
"23": "Hoy indray izy momba an\u2019i Naftaly: \u201cVoky fankasitrahana i Naftaly, Ary tototry ny fitahian\u2019i Jehovah. Alaivo ho anao ny tany any andrefana sy ny any atsimo.\u201d",
"24": "Ary hoy izy momba an\u2019i Asera: \u201cHotahina i Asera ka hahazo zanakalahy. Enga anie izy mba hankasitrahan\u2019ny rahalahiny, Ary enga anie izy hanatsoboka ny tongony ao anaty menaka!",
"25": "Vy sy varahina ny hidim-bavahadinao, Ary ho voaro tsara ianao mandritra ny androm-piainanao.",
"26": "Tsy misy hoatran\u2019ilay Andriamanitr\u2019i Jesorona, Izay mamakivaky ny lanitra mba hanampy anao, Sady mitaingina rahona amin\u2019ny voninahiny lehibe.",
"27": "Fialofana hatramin\u2019ny taloha ela be Andriamanitra, Ary hanohana anao ny sandriny maharitra mandrakizay. Horoahiny hiala eo anatrehanao ny fahavalo, Sady hiteny izy hoe: \u2018Aringano ireny!\u2019",
"28": "Hilamina ny tanin\u2019i Israely, Ary ho voaro ny lavadranon\u2019i Jakoba, Eo amin\u2019ny tany be varimbazaha sy divay vaovao, Ary hitete ando ny lanitra eo amboniny.",
"29": "Sambatra ianao, ry Israely\u00a0\u00f4! Iza moa no tahaka anao, Izay vahoaka mahazo famonjena avy amin\u2019i Jehovah, Dia Ilay ampinga miaro anao, Sy Ilay sabatrao be voninahitra? Hatahotra anao ny fahavalonao ka hihemotra, Fa ianao kosa hanitsaka ny lamosiny.\u201d"
},
"34": {
"1": "Dia niakatra avy eny amin\u2019ny lemaka karakaina any Moaba i Mosesy ka nankany amin\u2019ny Tendrombohitr\u2019i Nebo, ho eo an-tampon\u2019i Pisga, izay tandrifin\u2019i Jeriko. Ary nasehon\u2019i Jehovah azy ilay tany manontolo, hatrany Gileada ka hatrany Dana,",
"2": "sy Naftaly manontolo, sy ny tanin\u2019i Efraima sy Manase, sy ny tanin\u2019i Joda manontolo hatrany amin\u2019ny ranomasina andrefana,",
"3": "sy Negeba sy ny Faritr\u2019i Jordana, sy ny lemak\u2019i Jeriko, ilay tan\u00e0na be\u00a0hazo palmie, ary hatrany Zoara.",
"4": "Ary hoy i Jehovah taminy: \u201cIo ilay tany nianianako tamin\u2019i Abrahama sy Isaka ary Jakoba hoe: \u2018Ny taranakao no homeko an\u2019io.\u2019 Avelako hahita azy io ny masonao, saingy tsy hiampita eny ianao.\u201d",
"5": "Dia maty teo i Mosesy mpanompon\u2019i Jehovah. Maty tany Moaba izy, araka ny efa nolazain\u2019i Jehovah.",
"6": "Koa naleviny tao amin\u2019ilay lohasaha tany Moaba, tandrifin\u2019i Beti-peora, izy, ary tsy misy mahalala ny fasany hatramin\u2019izao.",
"7": "Ary 120\u00a0taona i Mosesy tamin\u2019izy maty, nefa tsy nihananjavozavo ny masony, sady tsy nihena ny heriny.",
"8": "Ary nitomany an\u2019i Mosesy nandritra ny 30 andro ny vahoakan\u2019Israely, teny amin\u2019ny lemaka karakaina any Moaba. Dia tapitra ny andro nitomaniana sy nisaonana azy.",
"9": "Ary feno fahendrena i Josoa zanak\u2019i Nona, satria i Mosesy efa nametra-tanana taminy. Dia nanomboka nihaino azy ny Israelita, ka nanao araka ny didy nomen\u2019i Jehovah an\u2019i Mosesy.",
"10": "Mbola tsy nisy mpaminany tena fantatr\u2019i Jehovah tsara hoatran\u2019i Mosesy mihitsy anefa teo amin\u2019ny Israely.",
"11": "Nataon\u2019i Mosesy tamin\u2019i Farao sy ny mpanompony rehetra ary tamin\u2019i Ejipta manontolo ny famantarana sy fahagagana rehetra nasain\u2019i Jehovah nataony, tamin\u2019izy nirahiny nankany.",
"12": "Nampiasa herin-tsandry sy hery lehibe teo imason\u2019ny Israely rehetra izy tamin\u2019izany."
},
"meta": {
"name": "Deoteronomia",
"order": 4,
"chapter_number": 34
}
}