UNPKG

mg-bibles

Version:

A package for accessing Bible verses in Malagasy (MG), Diem, King James (KJV), and Louis Segond (APEE) versions

1,071 lines 186 kB
{
    "1": {
        "1": "Ilay fitantarana voalohany nosoratako, ry\u00a0Teofilo, dia momba ny zava-drehetra nataon\u2019i Jesosy sy nampianariny hatrany am-boalohany,",
        "2": "ka mandra-pahatongan\u2019ny andro nampiakarana azy ho any an-danitra. Nampiakarina izy rehefa avy nanome toromarika tamin\u2019ny alalan\u2019ny fanahy masina an\u2019ireo apostoly nofidiny.",
        "3": "Rehefa avy nijaly izy, dia nasehony tamin\u2019izy ireo hoe velona izy, ary porofo maro tsy azo lavina no nentiny nanehoana an\u2019izany. Koa hitan\u2019izy ireo nandritra ny 40\u00a0andro izy, ary niresaka momba ny Fanjakan\u2019Andriamanitra.",
        "4": "Tamin\u2019izy nihaona tamin\u2019izy ireo, dia nanafatrafatra hoe: \u201cAza miala eto Jerosalema, fa andraso foana ilay nampanantenain\u2019ny Ray, araka ny efa noresahiko taminareo.",
        "5": "I Jaona mantsy nanao batisa tamin\u2019ny rano, fa ianareo kosa hatao batisa amin\u2019ny fanahy masina, rehefa afaka andro vitsivitsy.\u201d",
        "6": "Rehefa tafavory \u00e0ry izy ireo, dia nanontany azy hoe: \u201cTompo\u00a0\u00f4, izao ve ianao no hamerina ny fanjakana amin\u2019ny Israely?\u201d",
        "7": "Dia hoy izy: \u201cTsy anjaranareo ny mahafantatra ny fotoana na ny vanim-potoana, fa ny Ray irery ihany no manam-pahefana amin\u2019izany.",
        "8": "Hahazo hery kosa ianareo rehefa tonga aminareo ny fanahy masina, ka ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran\u2019i Jodia sy Samaria ary any amin\u2019ny faritra lavitra indrindra eto an-tany ianareo.\u201d",
        "9": "Rehefa avy nilaza an\u2019izany izy, dia nakarina teo imason\u2019izy ireo. Ary nisy rahona nanarona azy, ka tsy hitan\u2019izy ireo intsony izy.",
        "10": "Raha mbola nibanjina ny lanitra teo izy ireo, tamin\u2019ilay Jesosy lasa iny, dia nisy roa lahy niakanjo fotsy nijoro tampoka teo akaikin\u2019izy ireo,",
        "11": "ary niteny hoe: \u201cRy lehilahy galilianina, nahoana ianareo no mijoro eto mijery ny lanitra? Iny Jesosy izay efa teo aminareo sy nakarina ho any an-danitra iny, dia ho avy indray, ka hoatran\u2019iny fomba nahitanareo azy niakatra tany an-danitra iny ihany no hiverenany.\u201d",
        "12": "Dia niverina tany Jerosalema izy ireo, rehefa avy teo amin\u2019ilay tendrombohitra atao hoe Tendrombohitra Oliva. Tsy lavitra an\u2019i Jerosalema izy io, satria lalana indray sabata fotsiny ny elanelany.",
        "13": "Rehefa tonga izy ireo, dia niakatra tao amin\u2019ny efitra ambony rihana nipetrahany. Ireto avy izy ireo: I Petera sy Jaona ary Jakoba sy Andrea, Filipo sy Tomasy, Bartolomeo sy Matio, Jakoba zanak\u2019i Alfeo, Simona ilay mafana fo, ary Jodasy zanak\u2019i Jakoba.",
        "14": "Dia niray saina izy rehetra ka tsy nitsahatra nivavaka. Nisy vehivavy vitsivitsy niaraka tamin\u2019izy ireo, ary teo koa i Maria renin\u2019i Jesosy sy ireo rahalahiny.",
        "15": "Tamin\u2019izany andro izany, dia nitsangana teo afovoan\u2019ireo rahalahy i Petera\u2014nisy 120 teo ho eo ny isan\u2019ny olona tafavory tamin\u2019izay\u2014ka hoy izy:",
        "16": "\u201cRy rahalahy, tsy maintsy tanteraka ny Soratra Masina, izany hoe ny faminaniana nolazain\u2019ny fanahy masina tamin\u2019ny alalan\u2019i Davida momba an\u2019i Jodasy, ilay nitarika an\u2019ireo nisambotra an\u2019i Jesosy.",
        "17": "Niaraka taminay mantsy izy taloha ary voafidy handray anjara amin\u2019izao fanompoana izao koa.",
        "18": "\u2014Izany lehilahy izany ilay nividy saha tamin\u2019ny karama azony tamin\u2019ny tsy fahamarinana. Ary nianjera izy ka ny lohany no lasa aloha. Dia nipoaka ny vatany, ka nipotsaka daholo ny tao anatiny.",
        "19": "Fantatry ny mponina rehetra eto Jerosalema izany, ka natao hoe Akeldama, izany hoe \u201cSahan-dra\u201d, ny anaran\u2019io saha io amin\u2019ny fitenin-dry zareo.\u2014",
        "20": "Voasoratra ao amin\u2019ny bokin\u2019ny Salamo mantsy hoe: \u2018Aoka ho foana ny fonenany ka tsy hisy honina intsony\u2019, ary \u2018Aoka ho lasan\u2019olon-kafa ny andraikitra notanany.\u2019",
        "21": "Mila atao solony \u00e0ry ny lehilahy iray anisan\u2019ireo niaraka taminay nandritra ny fotoana nanaovan\u2019i Jesosy Tompo ny asany teo aminay,",
        "22": "nanomboka tamin\u2019izy nataon\u2019i Jaona batisa ka hatramin\u2019ny andro nakana azy niakatra. Tokony ho lasa vavolombelona miaraka aminay izany lehilahy izany mba hilaza hoe nitsangana tamin\u2019ny maty izy.\u201d",
        "23": "Nanolotra roa lahy \u00e0ry izy ireo. Tsy iza izany fa i Josefa, izay atao hoe Barsabasy na koa hoe Josto, sy Matia.",
        "24": "Dia nivavaka izy ireo hoe: \u201cJehovah \u00f4, ianao no mahalala ny fon\u2019ny olona rehetra, koa asehoy izay nofidinao amin\u2019izy roa lahy ireto,",
        "25": "mba hanao an\u2019izao fanompoana izao sy ho apostoly hisolo an\u2019i Jodasy, izay niala mba hanao izay nety taminy fotsiny.\u201d",
        "26": "Nanaovany antsapaka \u00e0ry izy roa lahy, ka i Matia no voafidy hanampy isa an\u2019ireo apostoly 11."
    },
    "2": {
        "1": "Niaraka teo amin\u2019ny toerana iray daholo izy rehetra, tamin\u2019ny Fetin\u2019ny Pentekosta.",
        "2": "Tampoka teo, dia nisy feo mafy tonga avy any an-danitra, toy ny rivo-mahery nifofofofo, ka heno eran\u2019ilay trano, raha mbola teo am-pipetrahana izy ireo.",
        "3": "Ary nisy lela maro hoatran\u2019ny afo hitan\u2019izy ireo, ary nizarazara ireny ka nisy iray avy nankeo ambonin\u2019ny tsirairay taminy.",
        "4": "Dia samy feno fanahy masina izy rehetra, ka niteny tamin\u2019ny fiteny maro samihafa, araka izay nampitenenan\u2019ny fanahy azy.",
        "5": "Nisy Jiosy avy tamin\u2019ny firenena rehetra ambanin\u2019ny lanitra, nivahiny tao Jerosalema tamin\u2019izay. Olona natahotra an\u2019Andriamanitra izy ireo.",
        "6": "Rehefa nandre an\u2019ilay feo ny vahoaka, dia nitangorona ary lasa saina, satria samy naheno an\u2019ireo mpianatra niteny tamin\u2019ny fiteniny avy izy ireo.",
        "7": "Dia gaga be izy ireo, ka niteny hoe: \u201cJereo ange\u00a0e! Tsy Galilianina daholo ve ireo miteny ireo?",
        "8": "Koa nahoana isika no maheno an-dry\u00a0zareo miteny amin\u2019ny fitenin-drazantsika avy?",
        "9": "Isika anefa Partianina, Medianina, Elamita, mponin\u2019i Mezopotamia sy Jodia ary Kapadokia, ary avy any Ponto sy ny faritanin\u2019i Azia,",
        "10": "Frijia sy Pamfylia, Ejipta sy ny faritr\u2019i Libya akaikin\u2019i Kyrena, ary vahiny avy any Roma, na Jiosy izany na olona lasa nanaraka ny fivavahana jiosy,",
        "11": "ary Kretanina sy Arabo. Rentsika anefa ry\u00a0zareo miteny amin\u2019ny fitenintsika avy, momba ny asa lehibe nataon\u2019Andriamanitra.\u201d",
        "12": "Gaga be mihitsy izy rehetra sady sahiran-tsaina, ka nifampiresaka hoe: \u201cInona no dikan\u2019izao?\u201d",
        "13": "Fa nisy kosa naneso hoe: \u201cMamon\u2019ny divay mamy ireo.\u201d",
        "14": "Nitsangana anefa i Petera sy ny 11\u00a0Lahy. Dia niteny mafy tsara i Petera hoe: \u201cRy\u00a0mponin\u2019i Jodia sy ianareo rehetra mipetraka eto Jerosalema, fantaro izao ary henoy tsara ny teniko:",
        "15": "Tsy mamo, araka ny eritreretinareo, ireo olona ireo satria vao ora fahatelo amin\u2019ny andro izao.",
        "16": "Fa izao kosa no nasaina nolazain\u2019i Joela mpaminany:",
        "17": "\u2018\u201cAry amin\u2019ny andro farany\u201d, hoy Andriamanitra, \u201cdia handatsahako ampahany amin\u2019ny fanahiko ny karazan\u2019olona rehetra, ka ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy haminany, ny tovolahy eo aminareo hahita fahitana, ary ny lehilahy zokiolona eo aminareo hanonofy.",
        "18": "Ary na ny mpanompolahiko sy ny mpanompovaviko aza, dia handatsahako ampahany amin\u2019ny fanahiko amin\u2019izany andro izany, ka haminany.",
        "19": "Ary hanao fahagagana eny amin\u2019ny lanitra ambony aho, sy famantarana eny amin\u2019ny tany ambany\u2014dia ra sy afo ary setroka matevina.",
        "20": "Ho maizina ny masoandro ary ho mena toy ny ra ny volana, alohan\u2019ny hahatongavan\u2019ny andron\u2019i Jehovah, dia ilay andro lehibe sady miavaka.",
        "21": "Ary izay rehetra miantso ny anaran\u2019i Jehovah no hovonjena.\u201d\u2019",
        "22": "\u201cRy lehilahy israelita, henoy izao teny izao: Nasehon\u2019Andriamanitra niharihary taminareo hoe nirahiny ilay lehilahy atao hoe Jesosy avy any Nazareta, satria tamin\u2019ny alalany no nanaovan\u2019Andriamanitra zavatra miavaka sy fahagagana ary famantarana, araka ny efa fantatrareo.",
        "23": "Natolotra anareo iny lehilahy iny, satria efa sitrapon\u2019Andriamanitra izany sady efa fantany mialoha. Nofantsihanareo teo amin\u2019ny tsato-kazo izy, ary olona mpandika lal\u00e0na no nasainareo nanao an\u2019izany. Novonoinareo izy,",
        "24": "kanefa natsangan\u2019Andriamanitra tamin\u2019ny maty. Nanafaka azy tamin\u2019ny fanaintainan\u2019ny fahafatesana Izy, satria tsy nahavita nangeja azy ny fahafatesana.",
        "25": "Hoy mantsy i Davida momba azy: \u2018Ataoko eo anatrehako foana i Jehovah. Tsy hangozohozo mihitsy aho satria izy eo ankavanako.",
        "26": "Noho izany, dia falifaly ny foko ary ravoravo ny lelako. Dia hanana fanantenana foana aho,",
        "27": "satria tsy ho foinao hijanona ao amin\u2019ny Fasana aho, sady tsy havelanao ho lo ilay mpanomponao tsy mivadika.",
        "28": "Nampahafantarinao ahy ny lalana mankany amin\u2019ny fiainana, ary hataonao faly\u00a0be eo anatrehanao aho.\u2019",
        "29": "\u201cRy rahalahy, mamel\u00e0 ahy hiresaka amim-pahatsorana aminareo momba an\u2019i Davida loham-pianakaviantsika, izay efa maty sady efa nalevina, ary eto amintsika ny fasany hatramin\u2019izao.",
        "30": "Mpaminany izy, ary fantany fa nianiana taminy Andriamanitra hoe ny iray amin\u2019ny taranany no hapetrak\u2019Andriamanitra eo amin\u2019ny seza fiandrianany. Noho izany, dia",
        "31": "fantatr\u2019i Davida mialoha fa hitsangana amin\u2019ny maty i Kristy ary efa niresaka momba an\u2019izany izy. Noresahiny hoe tsy nafoy tao amin\u2019ny Fasana i Jesosy sady tsy lo ny nofony.",
        "32": "Natsangan\u2019Andriamanitra tamin\u2019ny maty iny Jesosy iny, ary vavolombelon\u2019izany izahay rehetra.",
        "33": "Koa satria nasandratra ho eo ankavanan\u2019Andriamanitra izy ary nahazo ny fanahy masina nampanantenain\u2019ny Ray, dia izy no nampilatsaka an\u2019izao hitanareo sy renareo izao.",
        "34": "Fa tsy niakatra tany an-danitra i Davida, fa izy aza nilaza hoe: \u2018Hoy i Jehovah tamin\u2019ny Tompoko: \u201cMipetraha eto ankavanako",
        "35": "mandra-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.\u201d\u2019",
        "36": "Aoka \u00e0ry ho fantatry ny taranak\u2019Israely rehetra mazava tsara fa nataon\u2019Andriamanitra ho Tompo sy Kristy iny Jesosy novonoinareo teo amin\u2019ny tsato-kazo iny.\u201d",
        "37": "Koa voatsindrona ny fon\u2019izy ireo rehefa nandre an\u2019izany, ka hoy izy ireo tamin\u2019i Petera sy ny apostoly hafa: \u201cInona izany no tokony hataonay, ry\u00a0rahalahy?\u201d",
        "38": "Dia hoy i Petera: \u201cMibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin\u2019ny anaran\u2019i Jesosy Kristy ianareo tsirairay, mba hahazoanareo famelan-keloka. Ary hahazo an\u2019ilay fanomezana maimaim-poana ianareo, dia ny fanahy masina.",
        "39": "Fa nampanantenaina an\u2019izany ianareo sy ny zanakareo ary izay rehetra any lavitra any, izany hoe izay rehetra antsoin\u2019i Jehovah Andriamanitsika hanatona azy.\u201d",
        "40": "Ary mbola niresaka zavatra maro i Petera ka nanome fanazavana feno, ary namerimberina nampirisika azy ireo hoe: \u201cMisaraha amin\u2019ity taranaka maditra ity mba ho voavonjy ianareo.\u201d",
        "41": "Natao batisa \u00e0ry izay olona nanaiky tsara ny tenin\u2019i Petera, ka niampy 3 000 teo ho eo ny isan\u2019izy ireo tamin\u2019iny andro iny.",
        "42": "Nihaino tsara foana ny fampianaran\u2019ny apostoly izy ireo, sady nifanerasera akaiky sy niara-nisakafo foana, ary tsy nitsahatra nivavaka.",
        "43": "Dia natahotra daholo ny olona, ary be dia be ny fahagagana sy famantarana nataon\u2019ny apostoly.",
        "44": "Ary niaraka daholo izay lasa mpino, ka nikambanany daholo ny zava-drehetra.",
        "45": "Nivarotra ny taniny sy ny fananany izy ireo, ka ny vola azo dia nozarainy tamin\u2019ny rehetra, araka izay nilain\u2019ny tsirairay.",
        "46": "Tao amin\u2019ny tempoly foana izy ireo isan\u2019andro sady niray saina. Nisakafo tany amin\u2019ny trano samy hafa koa izy ireo, ka faly er\u1ef3 nizara ny sakafony sady nanao an\u2019izany tamin\u2019ny fo madio,",
        "47": "ary nidera an\u2019Andriamanitra sady nahazo sitraka tamin\u2019ny vahoaka manontolo. Nandritra an\u2019izany fotoana izany, dia nisy olona voavonjy nataon\u2019i Jehovah nanampy isa azy ireo isan\u2019andro."
    },
    "3": {
        "1": "Niakatra nankao amin\u2019ny tempoly i Petera sy Jaona tamin\u2019ny ora fivavahana, dia ny ora fahasivy.",
        "2": "Ary nisy lehilahy nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny nentin\u2019olona teo amin\u2019ny vavahadin\u2019ny tempoly, ilay atao hoe Vavahady Kanto. Napetrak\u2019izy ireo isan\u2019andro teo izy, mba hangataka tamin\u2019izay niditra tao amin\u2019ny tempoly.",
        "3": "Vao nahita an\u2019i Petera sy Jaona handeha hiditra tao amin\u2019ny tempoly izy, dia nangata-bola tamin\u2019izy ireo.",
        "4": "Nijery tsara azy kosa i Petera sy Jaona, dia hoy i Petera: \u201cJereo izahay.\u201d",
        "5": "Nibanjina tsara azy roa lahy \u00e0ry izy, satria nanantena hahazo zavatra taminy.",
        "6": "Hoy anefa i Petera: \u201cTsy manana volafotsy na volamena aho, fa izay ananako no omeko anao. Amin\u2019ny anaran\u2019i Jesosy Kristy avy any Nazareta, mandehana!\u201d",
        "7": "Dia noraisiny tamin\u2019ny tanany ankavanana izy ka natsangany. Tonga\u00a0dia natanjaka ny tongotr\u2019ilay lehilahy sy ny kitrokeliny,",
        "8": "ka nitsambikina izy, ary nanomboka nandeha. Niditra tao amin\u2019ny tempoly niaraka tamin\u2019izy roa lahy izy, ka nandeha sady nitsambikimbikina ary nidera an\u2019Andriamanitra.",
        "9": "Ary hitan\u2019ny vahoaka rehetra izy nandeha sy nidera an\u2019Andriamanitra.",
        "10": "Fantatr\u2019izy ireo avy eo fa izy ilay lehilahy nipetraka nangataka teo amin\u2019ny Vavahady Kanto, teo amin\u2019ny tempoly. Koa gaga be izy ireo, sady tsy nampino azy ireo izay nitranga tamin\u2019ilay lehilahy.",
        "11": "Raha mbola namikitra tamin\u2019i Petera sy Jaona izy, dia tamy ny vahoaka rehetra nirohotra nankeo amin\u2019izy telo lahy, teo amin\u2019ilay atao hoe Lala-mitafon\u2019i Solomona. Ary tena talanjona izy ireo.",
        "12": "Hitan\u2019i Petera izany, ka hoy izy tamin\u2019ilay vahoaka: \u201cRy\u00a0Israelita, maninona ianareo no gaga\u00a0be? Ary maninona ianareo no mandinika\u00a0be anay, hoatran\u2019ny hoe ny herinay na hoe noho izahay nahafoy tena ho an\u2019Andriamanitra no nahavitanay nampandeha azy?",
        "13": "Nanome voninahitra an\u2019i Jesosy Mpanompony ny Andriamanitr\u2019i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, dia ilay Andriamanitry ny razambentsika. Ianareo anefa nanolotra an\u2019i Jesosy hovonoina ka nanda azy teo anatrehan\u2019i Pilato, na dia efa tapa-kevitra ny hanafaka azy aza izy.",
        "14": "Nolavinareo tokoa ilay masina sy marina. Mpamono olona no nangatahinareo hafahana ho anareo,",
        "15": "fa novonoinareo kosa ilay Mpitarika Lehibe Indrindra manome fiainana. Natsangan\u2019Andriamanitra tamin\u2019ny maty anefa izy, ary vavolombelon\u2019izany izahay.",
        "16": "Tamin\u2019ny alalan\u2019ny anarany sy ny finoanay ny anarany no nampahatanjaka an\u2019io lehilahy hitanareo sy fantatrareo io. Ny finoana an\u2019i Jesosy no nahasitrana tanteraka an\u2019io lehilahy io eto anatrehanareo rehetra.",
        "17": "Ary ankehitriny, ry\u00a0rahalahy, fantatro fa noho ny tsy fahalalanareo no nanaovanareo an\u2019ireny, ary hoatr\u2019izany koa ny mpitondra anareo.",
        "18": "Izany anefa no fomba nanatanterahan\u2019Andriamanitra an\u2019izay efa nampilazainy ny mpaminany rehetra, dia ny hoe tsy maintsy hijaly ilay Kristy voatendriny.",
        "19": "\u201cKoa mibebaha, ary miverena amin\u2019Andriamanitra mba ho voafafa ny fahotanareo. Amin\u2019izay dia hisy fotoana mamelombelona avy amin\u2019i Jehovah,",
        "20": "ary hirahiny ilay Kristy voatendry ho anareo, dia i Jesosy.",
        "21": "Tsy maintsy miandry any an-danitra izy, mandra-pahatongan\u2019ny fotoana hamerenana ny zava-drehetra amin\u2019ny laoniny, dia ireo zavatra nasain\u2019Andriamanitra nolazain\u2019ny mpaminaniny masina taloha.",
        "22": "Niteny tokoa mantsy i Mosesy hoe: \u2018Hanendry mpaminany ho anareo i Jehovah Andriamanitrareo, dia mpaminany hoatr\u2019ahy, avy eo amin\u2019ny rahalahinareo. Henoy izay rehetra lazainy aminareo.",
        "23": "Koa izay rehetra tsy mihaino an\u2019izany Mpaminany izany, dia haringana tanteraka tsy ho eo amin\u2019ny vahoaka.\u2019",
        "24": "Ary nanambara mazava momba an\u2019izao andro izao ny mpaminany rehetra, dia izay rehetra naminany nanomboka tamin\u2019i Samoela sy ireo nandimby azy.",
        "25": "Ianareo no zanaky ny mpaminany sy zanaky ny fifanekena nifanaovan\u2019Andriamanitra tamin\u2019ny razambenareo, tamin\u2019izy nilaza tamin\u2019i Abrahama hoe: \u2018Hahazo fitahiana amin\u2019ny alalan\u2019ny taranakao ny firenena rehetra eny ambonin\u2019ny tany.\u2019",
        "26": "Rehefa avy nanendry an\u2019ilay Mpanompony Andriamanitra, dia tany aminareo aloha izy no nirahiny mba hahazoanareo fitahiana, ka hanampy anareo tsirairay hiala amin\u2019ny zava-dratsy nataonareo.\u201d"
    },
    "4": {
        "1": "Teo am-piresahana tamin\u2019ny vahoaka izy roa lahy no tonga teo aminy ny mpisorona sy ny lehiben\u2019ny mpiambina ny tempoly ary ny Sadoseo.",
        "2": "Sosotra izy ireo, satria nampianatra ny vahoaka ny apostoly sady nanambara tamin\u2019ny olona rehetra hoe natsangana tamin\u2019ny maty i Jesosy.",
        "3": "Nosamborin\u2019izy ireo \u00e0ry izy roa\u00a0lahy dia nataony am-ponja mandra-pahatongan\u2019ny ampitso, satria efa hariva ny andro.",
        "4": "Betsaka tamin\u2019ireo nihaino an\u2019ilay lahateny anefa no nino, ka lasa 5 000 teo ho eo ny isan\u2019ny lehilahy.",
        "5": "Ny ampitson\u2019iny, dia nivory tao Jerosalema ny mpitondra sy ny anti-panahy ary ny mpanora-dal\u00e0na teo amin\u2019izy ireo.",
        "6": "Tao koa i Anasy lehiben\u2019ny mpisorona, Kaiafa, Jaona, Aleksandra, ary izay rehetra havan\u2019ilay lehiben\u2019ny mpisorona.",
        "7": "Dia nataon\u2019izy ireo teo afovoany i Petera sy Jaona, ka nanontaniany hoe: \u201cFahefana avy aiza, na tamin\u2019ny anaran\u2019iza no nanaovanareo an\u2019izao?\u201d",
        "8": "Ary feno fanahy masina i Petera, ka namaly hoe: \u201cRy mpitondra vahoaka sy anti-panahy isany!",
        "9": "Raha fotopotorana izahay androany satria nanao soa olona kilemaina, ka tianareo ho fantatra hoe iza no nanasitrana azy,",
        "10": "dia aoka ho fantatrareo rehetra sy ny vahoakan\u2019Israely manontolo fa matoa io lehilahy io salama tsara manoloana anareo eto, dia noho ny anaran\u2019 i Jesosy Kristy avy any Nazareta, ilay novonoinareo teo amin\u2019ny tsato-kazo, nefa natsangan\u2019Andriamanitra tamin\u2019ny maty.",
        "11": "Izy \u2018ilay vato nataonareo mpanao trano ho tsy misy dikany, nefa lasa vato fehizoro lehibe indrindra.\u2019",
        "12": "Ary tsy misy olon-kafa hahazoana famonjena, satria tsy misy anarana hafa hahazoantsika famonjena amin\u2019izay anarana nomena ny olona et\u1ef3 ambanin\u2019ny lanitra.\u201d",
        "13": "Gaga izy ireo nahita ny fahasahian\u2019i Petera sy Jaona, ary fantany fa tsy nahita fianarana izy roa lahy sady olon-tsotra. Dia fantany fa niaraka tamin\u2019i Jesosy izy roa lahy.",
        "14": "Tsy nanan-kavaly anefa izy ireo, satria hitany niara-nijoro tamin\u2019izy roa lahy teo ilay lehilahy efa sitrana.",
        "15": "Koa nasain\u2019izy ireo nivoaka avy tao amin\u2019ny trano nisy ny Fitsarana Avo Jiosy ry\u00a0zareo. Dia niara-nidinika izy ireo",
        "16": "hoe: \u201cHataontsika ahoana ireo lehilahy ireo? Fa nanao famantarana niavaka ry\u00a0zareo, ary nahita an\u2019izany ny mponina rehetra eto Jerosalema, ka tsy azontsika lavina.",
        "17": "Andao \u00e0ry horahonantsika ry\u00a0zareo, dia tsy havelantsika hiteny amin\u2019izany anarana izany intsony na amin\u2019iza na amin\u2019iza, sao dia vao mainka hiely eo amin\u2019ny vahoaka izany.\u201d",
        "18": "Dia nantsoiny izy roa lahy, ka norarany tsy hiteny na inona na inona na hampianatra amin\u2019ny anaran\u2019i Jesosy intsony.",
        "19": "Namaly anefa i Petera sy Jaona hoe: \u201cIanareo no aoka hitsara raha mety eo imason\u2019Andriamanitra na tsia ny hoe hihaino anareo, fa tsy hihaino an\u2019Andriamanitra.",
        "20": "Fa raha izahay kosa, dia tsy azonay atao ny tsy hiteny intsony momba an\u2019izay efa hitanay sy henonay.\u201d",
        "21": "Mbola nandrahona azy roa lahy indray izy ireo, dia nandefa azy avy eo. Tsy hitan\u2019izy ireo mantsy izay tokony hanasaziana azy, ary natahorany koa ny vahoaka satria nanome voninahitra an\u2019Andriamanitra izy rehetra noho izay nitranga.",
        "22": "Efa 40\u00a0taona mahery mantsy ilay lehilahy nositranina tamin\u2019ny alalan\u2019izany fahagagana izany.",
        "23": "Dia nankany amin\u2019ny mpiray finoana taminy izy roa lahy rehefa nafahana, ka notantarainy tamin\u2019izy ireo izay nolazain\u2019ny lehiben\u2019ny mpisorona sy ny anti-panahy.",
        "24": "Rehefa nandre an\u2019izany izy ireo, dia niaraka nanandra-peo nivavaka tamin\u2019Andriamanitra hoe: \u201cRy Tompo Fara Tampony\u00a0\u00f4, ianao no nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny zava-drehetra ao amin\u2019ireo.",
        "25": "Ianao koa no nampiteny an\u2019i Davida razambenay mpanomponao tamin\u2019ny alalan\u2019ny fanahy masina hoe: \u2018Nahoana no mikorontana ireo firenena ary misaintsaina zavatra tsy misy dikany ny vahoaka?",
        "26": "Nitsangana ireo mpanjakan\u2019ny tany, ary nivondrona ny mpitondra mba hanohitra an\u2019i Jehovah sy ilay voahosotra notendreny.\u2019",
        "27": "Fa nifamory teto amin\u2019ity tan\u00e0na ity tokoa i Heroda sy Pontio Pilato niaraka tamin\u2019ny hafa firenena sy ny vahoakan\u2019Israely, mba hanohitra an\u2019i Jesosy mpanomponao masina, ilay voahosotrao.",
        "28": "Nanao an\u2019izany izy ireo mba ho tanteraka izay efa voalazanao mialoha, satria anananao ny hery ary efa izay no sitraponao.",
        "29": "Koa henoy ny fandrahonany, Jehovah \u00f4, ary ataovy izay hahatonga anay mpanomponao hanana fahasahiana\u00a0be hitory ny teninao,",
        "30": "ary ianao hanatsotra ny tananao mba hanasitranana sy hanaovana famantarana sy fahagagana amin\u2019ny anaran\u2019i Jesosy mpanomponao masina.\u201d",
        "31": "Rehefa avy nitalaho tamim-bavaka izy ireo, dia nihovotrovotra ilay toerana nivoriany, ary feno fanahy masina izy rehetra, ka sahy nitory ny tenin\u2019Andriamanitra.",
        "32": "Iray fo sy iray saina ny olona be dia be lasa mpino, ka tsy nisy nilaza hoe azy samirery ny fananany, fa nikambanan\u2019izy ireo daholo ny zava-drehetra.",
        "33": "Ary mbola nitory momba ny nananganana an\u2019i Jesosy Tompo tamin\u2019ny maty ny apostoly sady tena nandaitra ny fomba nanaovan\u2019izy ireo an\u2019izany. Ary nanehoana hatsaram-panahy miavaka be dia be izy rehetra.",
        "34": "Tsy nisy nahantra teo amin\u2019izy ireo, fa izay rehetra nanana tany na trano dia nivarotra an\u2019izany ka nitondra ny vidin\u2019izay lafo,",
        "35": "ary nametraka an\u2019izany teo an-tongotry ny apostoly. Dia nozaraina tamin\u2019ny tsirairay arakaraka izay nilainy avy izany.",
        "36": "Ary i Josefa, ilay nantsoin\u2019ny apostoly koa hoe Barnabasy\u2014izany hoe \u201cZanaky ny Fampiononana\u201d, raha adika\u2014izay Levita teratany avy any Sipra,",
        "37": "dia nanana tany. Namidiny ilay tany, dia nentiny ny vola vidin\u2019ilay izy ka napetrany teo an-tongotry ny apostoly."
    },
    "5": {
        "1": "Nivarotra ny taniny koa ny lehilahy atao hoe Ananiasy, sy Safira vadiny.",
        "2": "Nisy notazoniny mangingina anefa ny vidiny, ary fantatry ny vadiny izany. Ampahany ihany no nentiny ka napetrany teo an-tongotry ny apostoly.",
        "3": "Fa hoy i Petera: \u201cRy\u00a0Ananiasy, nahoana ianao no nataon\u2019i Satana sahy nandainga tamin\u2019ny fanahy masina, ka notazoninao mangingina ny ampahany tamin\u2019ny vidin\u2019ilay tany?",
        "4": "Angaha moa tsy anao ihany ilay tany, tamin\u2019ilay izy mbola tsy namidy? Ary rehefa namidy ilay izy, tsy anao ihany ve ny vola vidiny, ka azonao ampiasaina amin\u2019izay itiavanao azy? Maninona ianao no nieritreritra hanao an\u2019izao zavatra izao tao am-ponao tao? Tsy olona no nandainganao, fa Andriamanitra.\u201d",
        "5": "Dia niankarapoka i Ananiasy rehefa naheno an\u2019izany, ka maty. Ary nihorohoro izay rehetra naheno an\u2019izany zava-nitranga izany.",
        "6": "Nitsangana ny tovolahy maromaro avy eo dia nofonosiny lamba ny faty, ka nentiny ary naleviny.",
        "7": "Rehefa afaka adiny telo teo ho eo, dia tonga koa ny vadiny nefa tsy nahalala an\u2019izay nitranga.",
        "8": "Dia hoy i Petera taminy: \u201cHono ho\u2019aho, izay ve no vidiny nivarotanareo an\u2019ilay tany?\u201d Ary hoy izy: \u201cIe, izay!\u201d",
        "9": "Hoy \u00e0ry i Petera taminy: \u201cNahoana ianareo mivady no niray tsikombakomba hamitaka ny fanahin\u2019i Jehovah? Efa eo am-baravarana izao ny tongotr\u2019ireo nandevina ny vadinao, ary hitondra anao hivoaka koa ry\u00a0zareo.\u201d",
        "10": "Tonga\u00a0dia niankarapoka teo an-tongotr\u2019i Petera izy, ka maty. Rehefa niditra ireo tovolahy, dia nahita azy efa maty, ka nitondra azy niala teo sy nandevina azy teo akaikin\u2019ny vadiny.",
        "11": "Dia nihorohoro ny fiangonana manontolo sy izay rehetra nandre an\u2019izany zava-nitranga izany.",
        "12": "Mbola nanao famantarana sy fahagagana maro teo amin\u2019ny vahoaka koa ny apostoly. Ary niara-nivory foana teo amin\u2019ny Lala-mitafon\u2019i Solomona izy rehetra.",
        "13": "Marina fa tsy nisy olon-kafa sahy niandany tamin\u2019izy ireo, kanefa niresaka zavatra tsara momba azy ireo ihany ny vahoaka.",
        "14": "Ankoatra izany, dia niampy foana ny isan\u2019ireo nino ny Tompo, ary be dia be izy ireny, na lahy na vavy.",
        "15": "Nentin\u2019ny olona teny an-dalambe mihitsy aza ny marary ka napetrany teny, teo ambony farafara kely na tsihy. Amin\u2019izay mba azon\u2019ny alok\u2019i Petera ny sasany amin\u2019izy ireo, fara faharatsiny, rehefa mandalo izy.",
        "16": "Nisy vahoaka\u00a0be koa tonga foana avy tany amin\u2019ireo tan\u00e0na manodidina an\u2019i Jerosalema. Nitondra marary sy olona nampijalin\u2019ny fanahy maloto izy ireo, ary sitrana daholo izy rehetra.",
        "17": "Velom-pialonana anefa ny mpisoronabe sy ny mpomba azy rehetra, izay anisan\u2019ny sektan\u2019ny Sadoseo. Nitsangana \u00e0ry izy ireo,",
        "18": "ka nosamboriny ny apostoly ary nataony tao amin\u2019ny fonjam-panjakana.",
        "19": "Nosokafan\u2019ny anjelin\u2019i Jehovah anefa ny varavaran\u2019ny fonja ny alin\u2019iny, ka navoakany izy ireo. Ary hoy ilay anjely tamin\u2019izy ireo:",
        "20": "\u201cMandehana mijoro ao amin\u2019ny tempoly, ary torio foana amin\u2019ny olona ny teny rehetra momba an\u2019izany fiainana izany.\u201d",
        "21": "Rehefa naheno an\u2019izany ny apostoly, dia niditra vao mangiran-dratsy tao amin\u2019ny tempoly, ka nampianatra. Ary tonga ny mpisoronabe sy izay niaraka taminy, ka novorin\u2019izy ireo ny Fitsarana Avo Jiosy sy ny anti-panahy rehetra teo amin\u2019ny zanak\u2019Israely. Dia naniraka olona haka an\u2019ireo apostoly tany am-ponja izy ireo, mba hoentina eo anatrehany.",
        "22": "Rehefa tonga tany anefa ireo mpiambina, dia tsy nahita azy ireo tao am-ponja. Niverina \u00e0ry izy ireo mba hilaza an\u2019izay nitranga.",
        "23": "Hoy izy ireo: \u201cHitanay nihidy mafy tsara ny fonja, ary nijoro teo am-baravarana ireo mpiambina, kanjo rehefa nosokafana ilay izy, dia tsy nahita olona tao izahay.\u201d",
        "24": "Rehefa naheno an\u2019izany ny lehiben\u2019ny mpiambina ny tempoly sy ireo lehiben\u2019ny mpisorona, dia samy sahiran-tsaina hoe inona no ho vokatr\u2019izany.",
        "25": "Nisy olona tonga nilaza tamin\u2019izy ireo anefa hoe: \u201cAo amin\u2019ny tempoly ireo lehilahy nogadrainareo! Mijoro sy mampianatra ao ry\u00a0zareo!\u201d",
        "26": "Dia nandeha naka an\u2019ireo apostoly ny lehiben\u2019ny mpiambina sy ireo olona teo ambany fahefany. Tsy nampiasa herisetra anefa izy ireo, satria natahotra sao hotorahan\u2019ny vahoaka vato.",
        "27": "Koa nentiny ireo apostoly, ka nasainy nijoro teo anatrehan\u2019ny Fitsarana Avo Jiosy. Dia namotopototra azy ireo ny mpisoronabe,",
        "28": "ary niteny hoe: \u201cEfa noraranay mafy ianareo hoe aza mampianatra intsony amin\u2019izany anarana izany, nefa jereo fa nofenoinareo ny fampianaranareo i Jerosalema. Ary tapa-kevitra ianareo ny hanao anay ho tompon\u2019andraikitra amin\u2019ny fahafatesan\u2019iny lehilahy iny.\u201d",
        "29": "Fa namaly i Petera sy ny apostoly hafa hoe: \u201cAndriamanitra no mpitondra anay ka izy no tsy maintsy ankatoavinay, fa tsy olona.",
        "30": "Efa natsangan\u2019ilay Andriamanitry ny razambentsika tamin\u2019ny maty i Jesosy, izay novonoinareo ka nahantonareo teo amin\u2019ny tsato-kazo.",
        "31": "Nasandratr\u2019Andriamanitra ho eo ankavanany anefa izy, ka lasa Mpitarika Lehibe Indrindra sy Mpamonjy, mba hahafahan\u2019ny Israely hibebaka sy hahazo famelan-keloka.",
        "32": "Vavolombelon\u2019izany izahay, ary koa ny fanahy masina, izay omen\u2019Andriamanitra an\u2019izay manaiky azy ho mpitondra sy mankat\u00f2 azy.\u201d",
        "33": "Nisafoaka izy ireo rehefa nandre an\u2019izany, ka te hamono azy ireo ho faty.",
        "34": "Nitsangana teo anatrehan\u2019ny Fitsarana Avo Jiosy anefa ny Fariseo iray atao hoe Gamaliela. Mpampianatra ny Lal\u00e0na izy ary nohajain\u2019ny vahoaka rehetra. Nasainy navoaka vetivety aloha ny apostoly.",
        "35": "Dia hoy izy: \u201cRy\u00a0lehilahy israelita, tandremo tsara izay eritreretinareo hatao amin\u2019ireo lehilahy ireo.",
        "36": "Nisy fotoana, ohatra, nisy an\u2019i Teodasy izay nihevitra ny tenany ho tsy misy hoatr\u2019azy. Lehilahy 400 teo ho eo no lasa mpomba azy. Novonoina anefa izy, ary niparitaka daholo ny mpanara-dia azy ka tsy hita intsony.",
        "37": "Ary taorian\u2019i Teodasy, dia nisy an\u2019i Jodasy avy any Galilia, tamin\u2019ny fotoanan\u2019ny fanisam-bahoaka, ary nitaona olona hanaraka azy izy. Maty koa anefa izy, ka niparitaka daholo ny mpanara-dia azy.",
        "38": "Koa eo anoloan\u2019izao zava-mitranga izao, dia izao no teniko aminareo: Aza manelingelina an\u2019ireo lehilahy ireo, fa avelao izy. Raha avy amin\u2019olombelona mantsy io zavatra tian\u2019izy ireo hatao io na io asa io, dia ho rava.",
        "39": "Fa raha avy amin\u2019Andriamanitra kosa io, dia tsy ho vitanareo ny handrava azy. Sao dia ho lasa mpiady amin\u2019Andriamanitra ianareo.\u201d",
        "40": "Narahin\u2019izy ireo \u00e0ry ny torohevitr\u2019i Gamaliela, ka nampanantsoiny ny apostoly. Ary nokaravasiny sy norarany tsy hiteny amin\u2019ny anaran\u2019i Jesosy intsony izy ireo, dia navelany handeha.",
        "41": "Koa niala teo anatrehan\u2019ny Fitsarana Avo Jiosy izy ireo, sady faly satria natao mendrika ny ho afa-baraka noho izany anarana izany.",
        "42": "Ary tsy nitsahatra nampianatra sy nitory ny vaovao tsara momba an\u2019i Kristy, izany hoe i Jesosy, izy ireo isan\u2019andro. Nanao an\u2019izany izy ireo, na tao amin\u2019ny tempoly na isan-trano."
    },
    "6": {
        "1": "Tamin\u2019izany andro izany, rehefa nihabetsaka ny mpianatra, dia nanjary nimenomenona tamin\u2019ny Jiosy miteny hebreo ny Jiosy miteny grika, satria tsy mba nisy nikarakara ny mpitondratena teo aminy rehefa nozaraina ny sakafo isan\u2019andro.",
        "2": "Koa nampiantso an\u2019ireo mpianatra rehetra ny 12\u00a0Lahy, ka niteny hoe: \u201cTsy mety raha avelanay ny tenin\u2019Andriamanitra mba hahafahanay hizara sakafo eny an-databatra.",
        "3": "Noho izany, ry\u00a0rahalahy, dia mifidiana fito\u00a0lahy tsara laza eo aminareo, izay sady feno fanahy masina no manam-pahendrena, mba hotendrena hanao an\u2019izany zavatra tsy maintsy atao izany.",
        "4": "Fa izahay kosa hifantoka amin\u2019ny vavaka sy ny fanompoana, dia ny fampianarana ny tenin\u2019Andriamanitra.\u201d",
        "5": "Nahafaly ny rehetra ny tenin\u2019izy ireo, ka nofidin\u2019izy ireo i Stefana, lehilahy tena nanam-pinoana sy feno fanahy masina, sy Filipo, Prokoro, Nikanora, Timona, Parmena, ary Nikoleo avy any Antiokia, ilay lasa nanaraka ny fivavahana jiosy.",
        "6": "Dia nentiny tany amin\u2019ny apostoly izy ireo. Ary rehefa avy nivavaka ny apostoly, dia nametra-tanana tamin\u2019izy ireo.",
        "7": "Tsy nitsahatra niely \u00e0ry ny tenin\u2019Andriamanitra, ka nihamaro be ny isan\u2019ny mpianatra tany Jerosalema. Be dia be koa ny mpisorona lasa nanaiky ny finoana.",
        "8": "Ary tena nankasitrahan\u2019Andriamanitra i Stefana sady nomeny hery\u00a0be, ka nahavita fahagagana sy famantarana lehibe teo amin\u2019ny vahoaka.",
        "9": "Nisy lehilahy tonga hiady hevitra tamin\u2019i Stefana anefa. Avy tamin\u2019ilay antsoina hoe Synagogan\u2019ireo Nomena Fahafahana ny sasany, ary Kyrenianina sy Aleksandrianina ny sasany. Nisy koa avy any Kilikia sy Azia.",
        "10": "Tsy nahatohitra azy anefa izy ireo, satria hita tamin\u2019ny teniny hoe hendry izy sady nampian\u2019ny fanahy masina.",
        "11": "Dia nandresy lahatra olona tany ambadimbadika tany izy ireo mba hilaza hoe: \u201cHenonay nanevateva an\u2019i Mosesy sy Andriamanitra izy.\u201d",
        "12": "Dia nataon\u2019izy ireo izay hampikorontana ny vahoaka sy ny anti-panahy ary ny mpanora-dal\u00e0na, ka tonga tampoka teo amin\u2019i Stefana ireo. Nosamborin\u2019izy ireo izy, dia nentiny tany amin\u2019ny Fitsarana Avo Jiosy.",
        "13": "Ary nitondra vavolombelona mandainga izy ireo mba hilaza hoe: \u201cIo lehilahy io tsy mitsahatra manaratsy an\u2019ity toerana masina ity sy ny Lal\u00e0na.",
        "14": "Henonay izy, ohatra, nilaza fa handrodana an\u2019ity toerana ity, hono, ilay Jesosy avy any Nazareta iny, dia hanova ny fomba amam-panao nampitain\u2019i Mosesy tamintsika.\u201d",
        "15": "Ary nibanjina an\u2019i Stefana daholo izay nipetraka teo amin\u2019ilay Fitsarana Avo, ka nahita fa hoatran\u2019ny tarehin\u2019anjely ny tarehiny."
    },
    "7": {
        "1": "Fa hoy ny mpisoronabe: \u201cMarina ve izany?\u201d",
        "2": "Dia namaly i Stefana hoe: \u201cRy\u00a0rahalahy sy ianareo raiamandreny, henoy aho. Niseho tamin\u2019i Abrahama razambentsika ilay Andriamanitry ny voninahitra, tamin\u2019izy tany Mezopotamia, talohan\u2019ny nipetrahany tany Harana.",
        "3": "Ary niteny taminy Andriamanitra hoe: \u2018Mial\u00e0 amin\u2019ny taninao sy ny havanao, ka mankanesa any amin\u2019ny tany hasehoko anao.\u2019",
        "4": "Dia niala tao amin\u2019ny tanin\u2019ny Kaldeanina izy, ka nipetraka tany Harana. Ary rehefa maty ny rainy, dia nasain\u2019Andriamanitra nifindra nankat\u1ef3 amin\u2019ity tany onenanareo amin\u2019izao ity izy.",
        "5": "Tsy nanome azy lova teto anefa Andriamanitra, na dia tany eram-paladia aza. Nampanantena anefa Izy fa hanome an\u2019ity tany ity ho azy sy ho an\u2019ny taranany, na dia mbola tsy nanan-janaka aza izy tamin\u2019izay.",
        "6": "Nilaza tamin\u2019i Abrahama koa Andriamanitra fa ho vahiny any an-tanin\u2019olona ny taranany. Ary hataon\u2019ny mponina any andevo izy ireo, ka hampijaliny 400\u00a0taona.",
        "7": "\u2018Dia hotsaraiko ilay firenena hanandevo azy ireo\u2019, hoy Andriamanitra, \u2018ary aorian\u2019izany dia hiala any izy ireo, ka hanao fanompoana masina ho ahy eto amin\u2019ity toerana ity.\u2019",
        "8": "\u201cNanao fifanekena momba ny famorana tamin\u2019i Abrahama koa izy. Dia niteraka an\u2019i Isaka i Abrahama ary namora azy tamin\u2019ny andro fahavalo. I Isaka indray niteraka an\u2019i Jakoba, ary Jakoba niteraka azy 12\u00a0lahy loham-pianakaviantsika.",
        "9": "Dia nialona an\u2019i Josefa ireo loham-pianakaviantsika ka nivarotra azy, dia nentina tany Ejipta izy. Nanampy azy anefa Andriamanitra,",
        "10": "ka namonjy azy tamin\u2019ny fahoriany rehetra. Ary nataon\u2019Andriamanitra izay hahazoany sitraka tamin\u2019i Farao mpanjakan\u2019i Ejipta, sy izay hananany fahendrena teo anatrehan\u2019io mpanjaka io. Dia notendren\u2019i Farao hiandraikitra an\u2019i Ejipta sy ny tao an-tranony rehetra izy.",
        "11": "Nisy mosary anefa eran\u2019i Ejipta sy Kanana, ka tena mafy ny fahoriana nanjo ny olona tany. Ary tsy nahita na inona na inona hohanina ny razambentsika.",
        "12": "Henon\u2019i Jakoba anefa fa nisy sakafo tany Ejipta, ka naniraka ny razambentsika ho any izy tamin\u2019ny voalohany.",
        "13": "Rehefa nankany fanindroany izy ireo, dia nampahafantatra ny tenany tamin\u2019ny rahalahiny i Josefa, ary lasa fantatr\u2019i Farao ny fianakavian\u2019i Josefa.",
        "14": "Koa nasain\u2019i Josefa nalaina avy tany amin\u2019izany toerana izany i Jakoba rainy sy ny havany rehetra, ka nisy 75 izy ireo tamin\u2019ny fitambarany.",
        "15": "Nidina nankany Ejipta \u00e0ry i Jakoba, dia tany izy no maty, ary tany koa no maty ny razambentsika.",
        "16": "Dia nentina tany Sekema izy ireo, ary nalevina tao amin\u2019ilay fasana novidin\u2019i Abrahama sekely volafotsy tamin\u2019ny zanakalahin\u2019i Hamora, tany Sekema.",
        "17": "\u201cRehefa nanakaiky ny fotoana hahatanterahan\u2019ilay fampanantenana nolazain\u2019Andriamanitra tamin\u2019i Abrahama, dia nitombo sy nihamaro ny olona tany Ejipta.",
        "18": "Mpanjaka hafa no nitondra tany Ejipta avy eo, ary tsy nahalala an\u2019i Josefa izy io.",
        "19": "Nampiasa hafetsen-dratsy izy hamelezana ny razambentsika, ka notereny hanary ny zanany vao teraka izy ireo, mba tsy ho velona ireny.",
        "20": "Tamin\u2019izay no teraka i Mosesy, izay tena nahafatifaty be mihitsy, ary nokarakaraina tao an-tranon-drainy izy nandritra ny telo volana.",
        "21": "Rehefa nariana anefa izy, dia nalain\u2019ny zanakavavin\u2019i Farao ary notezainy toy ny zanany naterany.",
        "22": "Koa nampianarina ny fahendrena rehetra nananan\u2019ny Ejipsianina i Mosesy, ary tena nisy lanjany ny zavatra nolazainy sady nahavita zavatra niavaka izy.",
        "23": "\u201cRehefa feno 40\u00a0taona izy, dia nanapa-kevitra hitsidika ny rahalahiny, izany hoe ny zanak\u2019Israely.",
        "24": "Raha vao hitany hoe nampiharana ny tsy rariny ny iray tamin\u2019izy ireo, dia niaro an\u2019ilay nampijalina izy ary namaly faty ka namono ho faty an\u2019ilay Ejipsianina.",
        "25": "Nieritreritra izy fa ho takatry ny rahalahiny hoe izy no nampiasain\u2019Andriamanitra hamonjy azy ireo, kanjo tsy takatr\u2019izy ireo izany.",
        "26": "Ary nankany amin\u2019izy ireo izy ny ampitson\u2019iny, ka nahita roa lahy niady. Dia nanandrana nampihavana azy roa lahy izy, ka niteny hoe: \u2018\u00d4\u00a0ry izy roa lahy\u00a0a, mpirahalahy ange ianareo\u00a0e! Koa maninona ianareo no miady hoatr\u2019izao?\u2019",
        "27": "Fa natosik\u2019ilay namely an\u2019ilay namany izy, sady noteneniny hoe: \u2018Iza no nanendry an\u2019ialahy ho mpitondra sy mpitsara anay?",
        "28": "Tadiavin\u2019ialahy hovonoina hoatran\u2019ny namonoan\u2019ialahy an\u2019ilay Ejipsianina omaly koa angaha aho?\u2019",
        "29": "Dia nandositra i Mosesy rehefa naheno an\u2019izany, ka lasa vahiny nipetraka tany Midianina, ary niteraka roa lahy izy tany.",
        "30": "\u201cRehefa afaka 40\u00a0taona, dia nisy anjely niseho taminy tao anaty lelafo teo amin\u2019ny voarointsilo nirehitra, tany amin\u2019ilay tany efitra akaikin\u2019ny Tendrombohitra Sinay.",
        "31": "Gaga i Mosesy rehefa nahita an\u2019izany. Rehefa nanatona mba handinika akaiky an\u2019izany anefa izy, dia henony i Jehovah niteny hoe:",
        "32": "\u2018Izaho no Andriamanitry ny razambenao, ilay Andriamanitr\u2019i Abrahama sy Isaka ary Jakoba.\u2019 Dia tora-kovitra i Mosesy, ka tsy sahy nandinika akaiky kokoa.",
        "33": "Ary hoy i Jehovah: \u2018Esory ny kapanao, fa tany masina io ijoroanao io.",
        "34": "Efa hitako tokoa ny fampijaliana ny vahoakako any Ejipta, ary efa henoko ny fitarainany ka nidina hamonjy azy ireo aho. Koa izao \u00e0ry: Hirahiko ho any Ejipta ianao.\u2019",
        "35": "Izany Mosesy izany ilay nolavin\u2019izy ireo sy nataony hoe: \u2018Iza no nanendry an\u2019ialahy ho mpitondra sy mpitsara anay?\u2019 Izy ihany anefa no nirahin\u2019Andriamanitra ho mpitondra sady mpanafaka, ary tamin\u2019ny alalan\u2019ilay anjely niseho taminy tao amin\u2019ny voarointsilo no nanaovany an\u2019izany.",
        "36": "Izany lehilahy izany no nitondra azy ireo niala tany Ejipta, sady nanao fahagagana sy famantarana maro tany, sy teo amin\u2019ny Ranomasina Mena, ary tany an-tany efitra nandritra ny 40\u00a0taona.",
        "37": "\u201cIzany Mosesy izany ilay nilaza tamin\u2019ny zanak\u2019Israely hoe: \u2018Hanendry mpaminany ho anareo Andriamanitra, dia mpaminany hoatr\u2019ahy, avy eo amin\u2019ny rahalahinareo.\u2019",
        "38": "Izy ilay teo amin\u2019 ny fiangonana tany an-tany efitra niaraka tamin\u2019ilay anjely niresaka taminy tany amin\u2019ny Tendrombohitra Sinay, sy niaraka tamin\u2019ny razambentsika. Ary izy no nandray ny teny masina sady velona, mba homena antsika.",
        "39": "Tsy nety nankat\u00f2 azy anefa ny razambentsika fa nanilikilika azy, ary te hiverina tany Ejipta izy ireo tao am-pony,",
        "40": "ka niteny tamin\u2019i Arona hoe: \u2018Manamboara andriamanitra ho antsika hitarika antsika. Fa tsy fantatra mihitsy izay nanjo an\u2019ilay Mosesy nitondra antsika niala tany Ejipta iny.\u2019",
        "41": "Nanamboatra zanak\u2019omby \u00e0ry izy ireo tamin\u2019izany andro izany, ka nanao sorona ho an\u2019io sampy io sady nifalifaly nankalaza ny asan\u2019ny tanany.",
        "42": "Koa niala tamin\u2019izy ireo Andriamanitra, dia namela azy ireo hanao fanompoana masina ho an\u2019ireo zavatra eny amin\u2019ny lanitra, araka ny voasoratra ao amin\u2019ny bokin\u2019ny Mpaminany hoe: \u2018Izaho angaha moa no nanoloranareo fanatitra sy sorona nandritra ny 40\u00a0taona tany an-tany efitra, ry\u00a0taranak\u2019Israely?",
        "43": "Tsy izaho, fa ny tranolain\u2019i Moloka sy ilay kintana andriamanitra atao hoe Refana izay nentinareo, dia ireo sarivongana nataonareo hivavahana. Koa hataoko sesitany lavitra an\u2019i Babylona ianareo.\u2019",
        "44": "\u201cNanana ny tranolain\u2019ny vavolombelona ny razambentsika tany an-tany efitra. Nasain\u2019Andriamanitra nanao azy io mantsy i Mosesy, araka ny modely nasehony taminy.",
        "45": "Ary nolovan\u2019ny razambentsika ilay tranolay, ka nampidiriny tao amin\u2019ny tanin\u2019ireo firenena noroahin\u2019Andriamanitra hiala teo anatrehan\u2019ny razambentsika. Nampiditra azy io tany izy ireo, niaraka tamin\u2019i Josoa, ka tao foana ilay izy mandra-pahatongan\u2019ny andron\u2019i Davida.",
        "46": "Ary nahazo sitraka teo imason\u2019Andriamanitra i Davida, ka nangataka mba homena voninahitra hanorina fonenana ho an\u2019ilay Andriamanitr\u2019i Jakoba.",
        "47": "I Solomona anefa no nanorina trano ho Azy.",
        "48": "Tsy mipetraka ao amin\u2019ny trano nataon-tanana anefa ilay Avo Indrindra, araka ny nolazain\u2019ny mpaminany hoe:",
        "49": "\u2018Ny lanitra no seza fiandrianako, ary ny tany no fitoeran-tongotro. Koa trano hoatran\u2019ny ahoana no hataonareo ho ahy?, hoy i Jehovah. Ary toerana hoatran\u2019ny ahoana no azoko ialana sasatra?",
        "50": "Tsy ny tanako ve no nanao an\u2019ireny zavatra rehetra ireny?\u2019",
        "51": "\u201cRy\u00a0olona mafy loha, sady tsy voafora\u00a0fo sy sofina! Manohitra ny fanahy masina foana ianareo. Ary toy ny nataon\u2019ny razambenareo ihany no ataonareo.",
        "52": "Iza moa no mpaminany tsy nenjehin\u2019ny razambenareo? Novonoiny mihitsy aza ireo nanambara mialoha fa ho avy ilay marina. Ary ianareo indray izao no lasa mpamadika sy mpamono azy,",
        "53": "dia ianareo izay nandray ny Lal\u00e0na nampitain\u2019ny anjely, nefa tsy nankat\u00f2 an\u2019izany.\u201d",
        "54": "Ary nisafoaka izy ireo rehefa nandre an\u2019izany, ka nihidy vazana taminy.",
        "55": "Feno fanahy masina kosa i Stefana, ka nibanjina ny lanitra dia nahita ny voninahitr\u2019Andriamanitra sady nahita an\u2019i Jesosy nijoro teo ankavanan\u2019Andriamanitra.",
        "56": "Dia hoy izy: \u201cIo fa hitako misokatra ny lanitra, ary ny Zanak\u2019olona mijoro eo ankavanan\u2019Andriamanitra.\u201d",
        "57": "Koa niantsoantso faran\u2019izay mafy ny olona sady nanampin-tsofina, ka indray nirohotra nankeo aminy.",
        "58": "Dia nandroaka azy tany ivelan\u2019ny tan\u00e0na izy ireo, ka nitora-bato azy. Ary nametraka ny akanjony ivelany teo an-tongotry ny tovolahy atao hoe Saoly ireo vavolombelona niampanga azy.",
        "59": "Rehefa nitora-bato an\u2019i Stefana izy ireo, dia nitalaho i Stefana hoe: \u201cJesosy Tompo\u00a0\u00f4, raiso ny aiko.\u201d",
        "60": "Dia nandohalika izy ka niantso mafy hoe: \u201cJehovah \u00f4, aza atao ho helony izao!\u201d Rehefa avy nilaza an\u2019izany izy, dia nodimandry."
    },
    "8": {
        "1": "Ary nankasitraka ny namonoana an\u2019i Stefana i Saoly. Tamin\u2019izany andro izany, dia nenjehina mafy ny fiangonana tany Jerosalema, ka niparitaka nanerana ny faritr\u2019i Jodia sy Samaria izy rehetra, afa-tsy ny apostoly.",
        "2": "Nisy lehilahy natahotra an\u2019Andriamanitra anefa nitondra an\u2019i Stefana ka nandevina azy. Ary nitomany be izy ireo fa nalahelo azy.",
        "3": "I Saoly kosa nandravarava ny fiangonana. Nasesiny ny tranon\u2019ireo mpino ka nidirany an-keriny, dia notaritaritiny hivoaka izy ireo na lahy na vavy, ary nataony am-ponja.",
        "4": "Fa izay niparitaka kosa dia namakivaky an\u2019ilay faritra, ka nitory ny vaovao tsaran\u2019ny tenin\u2019Andriamanitra.",
        "5": "Dia nidina tany amin\u2019ny tan\u00e0nan\u2019i Samaria i Filipo, ka nitory momba an\u2019i Kristy tany.",
        "6": "Nihaino tsara an\u2019izay nolazain\u2019i Filipo daholo ny vahoaka, ka sady nihaino azy izy ireo no nijery ny famantarana nataony.",
        "7": "Maro tamin\u2019izy ireo mantsy no nisy fanahy maloto, ary niantsoantso mafy ireny fanahy ireny rehefa nivoaka tamin\u2019izy ireo. Betsaka koa ny malemy sy ny kilemaina sitrana.",
        "8": "Faly\u00a0be \u00e0ry ny olona tao amin\u2019io tan\u00e0na io.",
        "9": "Ary nisy lehilahy atao hoe Simona tao amin\u2019ilay tan\u00e0na. Mpampiasa herin\u2019ny maizina izy, ka nampiaiky ny mponina tao Samaria sady nidera tena hoe tsy misy hoatr\u2019azy.",
        "10": "Nihaino tsara azy izy rehetra, hatramin\u2019ny kely indrindra ka hatramin\u2019ny lehibe indrindra. Nilaza \u00e0ry izy ireo hoe: \u201cIo lehilahy io no Herin\u2019Andriamanitra, dia ilay antsoina hoe Hery Lehibe.\u201d",
        "11": "Koa nihaino tsara azy izy ireo, satria efa ela no nampiaiky azy ireo ny fahaizany nampiasa herin\u2019ny maizina.",
        "12": "Nino an\u2019i Filipo anefa izy ireo, tamin\u2019izy nitory ny vaovao tsara momba ny Fanjakan\u2019Andriamanitra sy momba ny anaran\u2019i Jesosy Kristy. Dia natao batisa izy ireo, na lahy na vavy.",
        "13": "I Simona koa aza nino ka natao batisa, ary niaraka tamin\u2019i Filipo foana izy taorian\u2019izay. Dia gaga izy nahita ny famantarana sy ny fahagagana lehibe nitranga.",
        "14": "Henon\u2019ny apostoly tany Jerosalema fa nanaiky ny tenin\u2019Andriamanitra ny tany Samaria, ka nirahiny hankany i Petera sy Jaona.",
        "15": "Dia nidina tany izy roa lahy ka nivavaka ho azy ireo mba hahazoany ny fanahy masina.",
        "16": "Mbola tsy nisy nilatsahan\u2019ny fanahy mantsy izy ireo, fa natao batisa tamin\u2019ny anaran\u2019i Jesosy Tompo fotsiny.",
        "17": "Dia nametra-tanana tamin\u2019ireo izy roa lahy, ka nahazo ny fanahy masina izy ireo.",
        "18": "Rehefa hitan\u2019i Simona fa nahazo fanahy masina izay nametrahan\u2019ny apostoly tanana, dia notolorany vola izy roa lahy,",
        "19": "sady hoy izy: \u201cMba omeo an\u2019izany fahefana izany koa aho. Amin\u2019izay dia hahazo fanahy masina izay hametrahako tanana.\u201d",
        "20": "Hoy anefa i Petera: \u201cHo ripaka miaraka aminao anie ny volafotsinao! Heverinao fa azo vidim-bola angaha ny fanomezana maimaim-poana avy amin\u2019Andriamanitra?",
        "21": "Tsy manana anjara amin\u2019izany mihitsy ianao, satria tsy tsotra eo anatrehan\u2019Andriamanitra ny fonao.",
        "22": "Koa mibebaha ka mial\u00e0 amin\u2019izao faharatsianao izao, dia mitalahoa amin\u2019i Jehovah sao mba hamela ny helokao izy noho ny fikasan-dratsy tao am-ponao.",
        "23": "Hitako mantsy fa hoatran\u2019ny poizina mangidy ianao ary andevon\u2019ny tsy fahamarinana.\u201d",
        "24": "Dia namaly azy ireo i Simona hoe: \u201cMba mitalahoa amin\u2019i Jehovah, mba tsy hisy hanjo ahy izany voalazanareo izany.\u201d",
        "25": "Rehefa avy namita tsara ny fitoriany i Petera sy Jaona, sady nilaza ny tenin\u2019i Jehovah, dia niverina nankany Jerosalema. Nitory ny vaovao tsara izy roa lahy rehefa nandalo teny amin\u2019ny tan\u00e0na kely maro nisy Samaritanina.",
        "26": "Ary nisy anjelin\u2019i Jehovah niteny tamin\u2019i Filipo hoe: \u201cMitsang\u00e0na, dia mandehana mianatsimo any amin\u2019ilay lalana midina avy any Jerosalema mankany Gaza.\u201d\u2014Lalana any an-tany efitra izany.\u2014",
        "27": "Dia nitsangana i Filipo ka lasa ary nahita tandapa etiopianina. Manam-pahefana teo ambany fifehezan\u2019i Kandasy mpanjakavavin\u2019ny Etiopianina izy io, ary niandraikitra ny harenany rehetra. Nankany Jerosalema izy mba hivavaka,",
        "28": "ary teny an-dalana hody izy tamin\u2019izay. Nipetraka tao amin\u2019ny kalesiny izy sady namaky mafy ny bokin\u2019i Isaia mpaminany.",
        "29": "Niteny tamin\u2019i Filipo \u00e0ry ny fanahy hoe: \u201cMandehana manatona an\u2019iny kalesy iny!\u201d",
        "30": "Dia nihazakazaka teo akaikin\u2019ilay kalesy i Filipo ka naheno azy namaky mafy ny bokin\u2019i Isaia mpaminany. Ary hoy izy: \u201cAzonao tsara ve izay vakinao?\u201d",
        "31": "Dia hoy izy: \u201cAhoana moa no hahazoako azy raha tsy misy manoro ahy?\u201d Koa nangataka an\u2019i Filipo izy mba hiakatra dia hipetraka teo akaikiny.",
        "32": "Ary izao ilay andinin-tenin\u2019ny Soratra Masina novakiny: \u201cHoatran\u2019ny ondry nentina hovonoina izy, ary hoatran\u2019ny zanak\u2019ondry mangina eo anatrehan\u2019ny mpanety azy, ka tsy miteny mihitsy.",
        "33": "Tsy mba nomena rariny izy nandritra ny fotoana nanalana baraka azy. Ary iza no hilaza ny tsipiriany momba ny taranaka nipoirany? Fa ny ainy aza nesorina tsy ho amin\u2019ny tany.\u201d",
        "34": "Dia hoy ilay tandapa tamin\u2019i Filipo: \u201cHono ho\u2019aho, iza no tian\u2019ilay mpaminany horesahina amin\u2019izany? Izy ihany ve sa olon-kafa?\u201d",
        "35": "Ary niteny indray i Filipo, ka nitory taminy ny vaovao tsara momba an\u2019i Jesosy, ary izany andinin-teny izany no nanombohany azy.",
        "36": "Raha mbola teny an-dalana izy ireo, dia tonga teo amin\u2019ny toerana nisy rano, ka hoy ilay tandapa: \u201cIo misy rano, ka inona no misakana ahy tsy hatao batisa?\u201d",
        "37": "* \u2014\u2014",
        "38": "Dia nasainy najanona ilay kalesy. Ary nidina tao anaty rano i Filipo sy ilay tandapa, ka nataon\u2019i Filipo batisa izy.",
        "39": "Rehefa niakatra avy tao anaty rano izy roa lahy, dia nentin\u2019ny fanahin\u2019i Jehovah niala teo haingana i Filipo, ka tsy hitan\u2019ilay tandapa intsony. Dia nanohy ny diany ilay tandapa sady faly.",
        "40": "I Filipo kosa tonga tany Asdoda, ary namakivaky an\u2019ilay faritra. Tsy nitsahatra nitory ny vaovao tsara tany amin\u2019ny tan\u00e0na rehetra izy, mandra-pahatongany tany Kaisaria."
    },
    "9": {
        "1": "Mbola nandrahona sy nitady handripaka ny mpianatry ny Tompo ihany anefa i Saoly. Nankany amin\u2019ny mpisoronabe \u00e0ry izy,",
        "2": "dia nangataka taratasy mba haseho amin\u2019ireo synagoga any Damaskosy. Amin\u2019izay dia ho azony entina mifatotra hankany Jerosalema izay hitany manaraka Ny Lalana, na lahy izany na vavy.",
        "3": "Raha mbola teny an-dalana izy ary efa akaiky an\u2019i Damaskosy, dia nisy hazavana tampoka avy any an-danitra nanjelanjelatra nanodidina azy.",
        "4": "Dia nianjera tamin\u2019ny tany izy, ary naheno feo nilaza taminy hoe: \u201cSaoly, Saoly, fa maninona ianao no manenjika ahy?\u201d",
        "5": "Ary nanontany i Saoly hoe: \u201cIza moa ianao, tompoko?\u201d Dia hoy izy: \u201cIzaho no Jesosy, ilay enjehinao.",
        "6": "Fa mitsang\u00e0na, ary mankanesa ao an-tan\u00e0na, dia holazaina aminao izay tokony hataonao.\u201d",
        "7": "Ireo lehilahy niara-dia taminy kosa nijoro teo tsy nahateny. Naheno feo ihany izy ireo, saingy tsy nahita na iza na iza.",
        "8": "Dia niarina avy teo amin\u2019ny tany i Saoly. Tsy nahita na inona na inona anefa izy, na dia nisokatra aza ny masony. Koa notantanan\u2019izy ireo izy, ary nentiny nankao Damaskosy.",
        "9": "Ary tsy nahita mihitsy izy nandritra ny telo andro, sady tsy nihinana na nisotro.",
        "10": "Nisy mpianatra atao hoe Ananiasy tao Damaskosy. Ary hoy ny Tompo taminy tao amin\u2019ny fahitana: \u201cAnaniasy!\u201d Dia hoy izy: \u201cInt\u1ef3 aho, Tompo\u00a0\u00f4!\u201d",
        "11": "Ary hoy ny Tompo: \u201cMitsang\u00e0na dia mankanesa any amin\u2019ilay lalana atao hoe Imahitsy. Ary tadiavo ao an-tranon\u2019i Jodasy ilay lehilahy atao hoe Saoly, avy any Tarsosy. Eo am-pivavahana mihitsy izy izao.",
        "12": "Hitany tao amin\u2019ny fahitana ny lehilahy atao hoe Ananiasy, niditra dia nametra-tanana taminy, amin\u2019izay hahita indray ny masony.\u201d",
        "13": "Fa hoy i Ananiasy: \u201cTompo\u00a0\u00f4, be dia be ny olona henoko niresaka momba an\u2019izany lehilahy izany, sy ny zava-dratsy rehetra nataony tamin\u2019ny olonao masina tany Jerosalema.",
        "14": "Ary eto izy izao, satria nahazo fahefana tamin\u2019ny lehiben\u2019ny mpisorona mba hisambotra an\u2019izay rehetra miantso ny anaranao.\u201d",
        "15": "Hoy anefa ny Tompo taminy: \u201cMandehana, fa fanaka nofidiko izany lehilahy izany, mba hitondra ny anarako any amin\u2019ny hafa firenena sy ny mpanjaka ary ny zanak\u2019Israely.",
        "16": "Fa hasehoko azy tsara hoe be dia be ny zavatra tsy maintsy hiaretany noho ny anarako.\u201d",
        "17": "Koa lasa i Ananiasy ary niditra tao amin\u2019ilay trano, dia nametra-tanana taminy sady niteny hoe: \u201cSaoly, ry\u00a0rahalahiko, naniraka ahy i Jesosy Tompo, ilay niseho taminao teny amin\u2019ilay lalana nandehananao nankat\u1ef3, mba hahita indray ny masonao ary ho feno fanahy masina ianao.\u201d",
        "18": "Tonga\u00a0dia nisy zavatra hoatran\u2019ny kiran-trondro nilatsaka avy tamin\u2019ny masony, ka nahita indray izy. Nitsangana izy avy eo, ary natao batisa.",
        "19": "Dia nihinan-kanina izy ka nihanatanjaka. Nijanona niaraka tamin\u2019ireo mpianatra tao Damaskosy izy, nandritra ny andro vitsivitsy.",
        "20": "Ary tonga\u00a0dia nitory momba an\u2019i Jesosy tany amin\u2019ny synagoga izy, ka nilaza fa Zanak\u2019Andriamanitra i Jesosy.",
        "21": "Gaga be anefa izay rehetra naheno azy, ka niteny hoe: \u201cKa tsy io ve ilay nampitondra faisana an\u2019ireo niantso an\u2019izany anarana izany tany Jerosalema\u00a0e? Ary tsy ny hisambotra sy hitondra azy ireo any amin\u2019ny lehiben\u2019ny mpisorona ve no ahatongavany eto?\u201d",
        "22": "Fa vao mainka kosa i Saoly nahazo hery, ka very hevitra ny Jiosy nipetraka tao Damaskosy, rehefa nanome porofo marim-pototra izy hoe i Jesosy no Kristy.",
        "23": "Rehefa afaka andro maromaro, dia niray tetika ny Jiosy hoe hamono azy.",
        "24": "Nanjary fantatr\u2019i Saoly anefa ny tetik\u2019izy ireo. Nambenan\u2019izy ireo tsara andro aman\u2019alina koa ireo vavahadin\u2019ny tan\u00e0na, mba hahafahany hamono azy.",
        "25": "Koa nalain\u2019ny mpianany izy ary nataony tao anaty sobika, dia nampidininy avy teny am-baravarankelin\u2019ny manda, tamin\u2019ny alina.",
        "26": "Vao tonga tany Jerosalema izy, dia niezaka hiaraka tamin\u2019ny mpianatra. Natahotra azy anefa ny rehetra, satria tsy nino hoe efa lasa mpianatra izy.",
        "27": "Koa nanampy azy i Barnabasy ary nitondra azy tany amin\u2019ireo apostoly. Ary notantarainy tamin\u2019izy ireo tamin\u2019ny an-tsipiriany ny nahitan\u2019i Saoly ny Tompo teny an-dalana, sy ny niresahan\u2019ny Tompo taminy, ary ny nahasahian\u2019i Saoly nitory tamin\u2019ny anaran\u2019i Jesosy tany Damaskosy.",
        "28": "Nijanona niaraka tamin\u2019izy ireo \u00e0ry i Saoly, ka nivezivezy malalaka tao Jerosalema ary sahy nitory tamin\u2019ny anaran\u2019ny Tompo.",
        "29": "Niresaka sy niady hevitra tamin\u2019ny Jiosy miteny grika koa izy, saingy notadiavin\u2019izy ireo hovonoina.",
        "30": "Rehefa fantatr\u2019ireo rahalahy izany, dia nentiny nidina tany Kaisaria izy, ka nalefany tany Tarsosy.",
        "31": "Ary nilamina ny fiangonana eran\u2019i Jodia sy Galilia ary Samaria satria tsy nisy nanohitra, ka lasa nihanatanjaka. Natahotra an\u2019i Jehovah sy nampaherezin\u2019ny fanahy masina koa ny fiangonana, ka tsy nitsaha-nitombo.",
        "32": "Nitety an\u2019ilay faritra manontolo i Petera, ka nidina tany amin\u2019ireo olona masina nipetraka tao Lyda koa.",
        "33": "Nahita lehilahy atao hoe Enea izy tao. Efa valo taona izy io no nandry teo am-pandrianany satria nalemy.",
        "34": "Ary hoy i Petera taminy: \u201cEnea, manasitrana anao i Jesosy Kristy. Mitsang\u00e0na ary amboary ny fandriananao.\u201d Dia nitsangana avy hatrany izy.",
        "35": "Rehefa nahita azy ny mponina rehetra tao Lyda sy tao amin\u2019ny Lemak\u2019i Sar\u00f4na, dia niova ka lasa nanaiky ny Tompo.",
        "36": "Ary tao Jopa, dia nisy mpianatra atao hoe Tabita, izany hoe \u201cDorkasy\u201d raha adika. Nanao asa soa be dia be izy sady nanome zavatra maro hiantrana ny mahantra.",
        "37": "Narary anefa izy tamin\u2019izany andro izany, ka maty. Koa nampandroin\u2019izy ireo ny fatiny ary napetrany tao amin\u2019ny efitra iray tao ambony rihana.",
        "38": "Tany akaikin\u2019i Jopa no nisy an\u2019i Lyda, ka rehefa henon\u2019ny mpianatra fa tao amin\u2019io tan\u00e0na io i Petera, dia naniraka roa lahy ho any aminy izy ireo mba hiangavy hoe: \u201cMba tongava haingana at\u1ef3 aminay!\u201d",
        "39": "Dia nandeha niaraka tamin\u2019izy roa lahy i Petera. Rehefa tonga tany izy, dia nentin\u2019izy ireo tao amin\u2019ilay efitra ambony rihana. Ary tonga teo aminy daholo ny vehivavy maty vady. Nitomany izy ireo sady nampiseho azy ny fitafiana sy ny akanjo lava be dia be nozairin\u2019i Dorkasy tamin\u2019izy mbola velona.",
        "40": "Nasain\u2019i Petera nivoaka daholo ny olona avy eo, ary nandohalika izy ka nivavaka. Dia nitodika tany amin\u2019ilay faty izy, ka niteny hoe: \u201cRy\u00a0Tabita, miarena!\u201d Dia nosokafan\u2019i Tabita ny masony, ka nipetraka izy raha vao nahita an\u2019i Petera.",
        "41": "Natolotr\u2019i Petera azy ny tanany ka natsangany izy. Ary nantsoiny ny olona masina sy ny vehivavy maty vady, dia nasehony azy ireo hoe velona izy.",
        "42": "Nanjary fantatry ny olona eran\u2019i Jopa izany, ka be dia be no nino ny Tompo.",
        "43": "Ary nijanona andro vitsivitsy tao Jopa i Petera, tao amin\u2019ny mpanao hoditra atao hoe Simona."
    },
    "10": {
        "1": "Nisy lehilahy atao hoe Kornelio tany Kaisaria. Manamboninahitra tao amin\u2019ilay nantsoina hoe andiana miaramila italianina izy.",
        "2": "Mpivavaka be sady natahotra an\u2019Andriamanitra izy sy ny ankohonany manontolo. Ary nanome zavatra be dia be ho fiantrana ny mahantra izy sady nitalaho tsy tapaka tamin\u2019Andriamanitra.",
        "3": "Tamin\u2019ny ora fahasivy teo ho eo, dia nahita fahitana mazava tsara izy. Nahita anjelin\u2019Andriamanitra nanatona azy izy, niteny taminy hoe: \u201cKornelio\u00a0a!\u201d",
        "4": "Dia nijery azy tsara i Kornelio sady natahotra be, ka niteny hoe: \u201cAhoana izay, tompoko?\u201d Dia hoy izy: \u201cEfa nohenoin\u2019Andriamanitra ny vavaka nataonao, ary hitany koa ny fiantranao ny mahantra, ka tsy hadinony izany.",
        "5": "Koa maniraha olona ho any Jopa mba haka an\u2019ilay lehilahy atao hoe Simona, ilay antsoina koa hoe Petera.",
        "6": "Mivahiny ao amin\u2019i Simona mpanao hoditra izy, ary eo amoron-dranomasina ny tranon\u2019izy io.\u201d",
        "7": "Vao lasa ilay anjely niresaka taminy, dia nantsoiny ny roa tamin\u2019ny mpiasany sy ny miaramila iray mpivavaka be, izay samy anisan\u2019ny mpikarakara azy.",
        "8": "Ary notantarainy tamin\u2019izy ireo ny zava-drehetra, dia nirahiny ho any Jopa izy ireo.",
        "9": "Ny ampitson\u2019iny, raha mbola teny an-dalana izy ireo sady efa akaiky an\u2019ilay tan\u00e0na, dia niakatra tao an-tampon-trano i Petera, tamin\u2019ny ora fahenina teo ho eo, mba hivavaka.",
        "10": "Noana be anefa izy ka te hihinan-kanina. Raha mbola teo am-pikarakarana sakafo ny olona, dia nahita fahitana i Petera.",
        "11": "Nahita ny lanitra nisokatra izy, ary nisy zavatra toy ny lamba rongony lehibe nidina avy any. Nampidinina tamin\u2019ny zorony efatra ho et\u1ef3 an-tany ilay izy.",
        "12": "Nisy biby isan-karazany tao anatiny, dia biby manan-tongotra efatra sy biby mandady ary voro-manidina.",
        "13": "Nisy feo niteny taminy avy eo hoe: \u201cPetera\u00a0a, mitsang\u00e0na! Vonoy dia hano!\u201d",
        "14": "Hoy anefa i Petera: \u201cSanatria, Tompo\u00a0\u00f4! Fa mbola tsy nihinan-javatra maloto sy tsy madio mihitsy aho.\u201d",
        "15": "Dia niteny fanindroany taminy ilay feo hoe: \u201cAza ataonao intsony hoe maloto izay efa nodiovin\u2019Andriamanitra.\u201d",
        "16": "Ary nitranga fanintelony izany, dia nakarina avy hatrany tany an-danitra ilay izy avy eo.",
        "17": "Raha mbola sahiran-tsaina i Petera hoe inona no mety ho dikan\u2019ilay fahitana, dia tamin\u2019izay indrindra no nijoro teo am-bavahady ireo lehilahy nirahin\u2019i Kornelio, rehefa avy nanontany hoe aiza ny tranon\u2019i Simona.",
        "18": "Dia niantso izy ireo ka nanontany raha nivahiny tao i Simona, ilay antsoina koa hoe Petera.",
        "19": "Teo am-pieritreretana an\u2019ilay fahitana i Petera no niteny taminy ny fanahy masina hoe: \u201cMisy telo lahy mitady anao ireo!",
        "20": "Koa mitsang\u00e0na dia mid\u00ecna, ary aza misalasala mihitsy fa mandehana miaraka aminy, satria izaho no naniraka an-dry\u00a0zareo.\u201d",
        "21": "Dia nidina nankany amin\u2019izy ireo i Petera, ka niteny hoe: \u201cIzaho ilay tadiavinareo. Ahoana izay?\u201d",
        "22": "Hoy ireo: \u201cMisy manamboninahitra atao hoe Kornelio naniraka anay. Lehilahy marina sy matahotra an\u2019Andriamanitra izy, sady tsara laza eo amin\u2019ny firenena jiosy manontolo. Nisy anjely masina nirahin\u2019Andriamanitra hilaza taminy mba hampaka anao ho any an-tranony, sy hihaino an\u2019izay holazainao.\u201d",
        "23": "Nampandrosoin\u2019i Petera \u00e0ry izy ireo, ka nivahiny tao aminy. Niomana i Petera ny ampitson\u2019iny, dia nandeha niaraka tamin\u2019izy ireo. Nisy rahalahy avy tao Jopa koa niaraka taminy.",
        "24": "Dia tonga tany Kaisaria izy ny ampitso. Efa niandry azy ireo tokoa i Kornelio, ary efa namory ny havany sy ny namany akaiky.",
        "25": "Rehefa niditra i Petera, dia nitsena azy i Kornelio, ary niankohoka tamim-panajana teo an-tongony.",
        "26": "Fa natsangan\u2019i Petera izy, ka noteneniny hoe: \u201cMitsang\u00e0na, fa izaho koa ange olombelona ihany\u00a0e!\u201d",
        "27": "Sady niresaka taminy i Petera no niditra tao an-trano, ka nahita olona maro efa vory tao.",
        "28": "Dia hoy izy tamin\u2019izy ireo: \u201cFantatrareo tsara fa tsy azon\u2019ny Jiosy atao ny mifanerasera amin\u2019ny hafa firenena na ny manatona azy. Nasehon\u2019Andriamanitra tamiko anefa fa tsy tokony hiantso olona hoe maloto na tsy madio aho.",
        "29": "Ka dia tonga aho, ary tsy nanda mihitsy rehefa nampanalaina. Inona \u00e0ry no antony nanirahanareo olona haka ahy?\u201d",
        "30": "Dia hoy i Kornelio: \u201cEfatra andro lasa izay, tamin\u2019ny ora hoatr\u2019izao indrindra, tamin\u2019ny ora fahasivy, dia nivavaka tato an-tranoko aho. Ary nisy lehilahy nanao akanjo namirapiratra nijoro teo anoloako,",
        "31": "ka niteny hoe: \u2018Kornelio\u00a0a! Efa nohenoin\u2019Andriamanitra ny vavaka nataonao, ary hitany ny fiantranao ny mahantra ka tsy hadinony.",
        "32": "Koa maniraha olona ho any Jopa ary ampanantsoy i Simona, ilay atao koa hoe Petera. Mivahiny ao an-tranon\u2019i Simona mpanao hoditra, eo amoron-dranomasina, izy.\u2019",
        "33": "Tonga\u00a0dia naniraka olona tany aminao aho, ary tena misaotra anao nankat\u1ef3. Koa ireto daholo izahay eto anatrehan\u2019Andriamanitra mba hihaino an\u2019izay rehetra nasain\u2019i Jehovah lazainao aminay.\u201d",
        "34": "Dia nanomboka niteny i Petera, ka nilaza hoe: \u201cAzoko tsara amin\u2019izay izao fa tsy mijery tavan\u2019olona Andriamanitra,",
        "35": "fa izay olona matahotra azy sy manao ny tsara no ankasitrahany, na inona na inona fireneny.",
        "36": "Nandefa hafatra tany amin\u2019ny zanak\u2019Israely izy, mba hotorina amin\u2019izy ireo ilay vaovao tsara hoe afaka mihavana amin\u2019Andriamanitra amin\u2019ny alalan\u2019i Jesosy Kristy izy ireo. Izy ilay Tompon\u2019ny olon-drehetra.",
        "37": "Fantatrareo fa taorian\u2019ny batisa notorin\u2019i Jaona, dia ambentin-dresaky ny olona eran\u2019i Jodia manontolo, nanomboka tany Galilia,",
        "38": "ny amin\u2019i Jesosy avy any Nazareta. Nohosoran\u2019Andriamanitra tamin\u2019ny fanahy masina sy nomeny hery izy ka nandeha eran\u2019ilay faritra. Ary nanao soa sy nanasitrana an\u2019izay rehetra nampahorin\u2019ny Devoly izy, satria nanampy azy Andriamanitra.",
        "39": "Ary vavolombelon\u2019ny zava-drehetra nataony tany amin\u2019ny tanin\u2019ny Jiosy sy tany Jerosalema izahay. Novonoin-dry zareo anefa izy ka nahantony teo amin\u2019ny tsato-kazo.",
        "40": "Fa natsangan\u2019Andriamanitra izy tamin\u2019ny andro fahatelo, dia navelany hiseho tamin\u2019ny olona.",
        "41": "Tsy tamin\u2019ny olon-drehetra anefa no nisehoany, fa tamin\u2019ny vavolombelona notendren\u2019Andriamanitra mialoha, izany hoe taminay izay niara-nihinana sy nisotro taminy taorian\u2019ny nananganana azy tamin\u2019ny maty.",
        "42": "Nandidy anay hitory amin\u2019ny olona koa izy, ka hanazava tsara fa izy no notendren\u2019Andriamanitra hitsara ny velona sy ny maty.",
        "43": "Izy no nambaran\u2019ny mpaminany rehetra hoe izay mino azy dia hahazo famelan-keloka amin\u2019ny anarany.\u201d",
        "44": "Raha mbola teo am-piresahana an\u2019izany i Petera, dia nilatsaka tamin\u2019izay rehetra nihaino ny teny ny fanahy masina.",
        "45": "Dia gaga ireo mpino anisan\u2019ny voafora izay niaraka tamin\u2019i Petera, satria nilatsaka tamin\u2019ny hafa firenena koa ny fanahy masina, ilay fanomezana maimaim-poana.",
        "46": "Naheno azy ireo niteny tamin\u2019ny fiteny samihafa sy nankalaza an\u2019Andriamanitra mantsy izy ireo. Dia hoy i Petera:",
        "47": "\u201cNahazo fanahy masina hoatr\u2019antsika koa ireto olona ireto. Koa misy afaka misakana azy ireo tsy hatao batisa amin\u2019ny rano ve?\u201d",
        "48": "Nasainy natao batisa tamin\u2019ny anaran\u2019i Jesosy Kristy \u00e0ry izy ireo. Dia nangataka an\u2019i Petera hijanona andro vitsivitsy tany izy ireo."
    },
    "11": {
        "1": "Henon\u2019ny apostoly sy ny rahalahy tany Jodia fa nanaiky ny tenin\u2019Andriamanitra koa ireo hafa firenena.",
        "2": "Koa rehefa niakatra tany Jerosalema i Petera, dia nanakiana azy ny mpomba ny famorana,",
        "3": "ka niteny hoe: \u201cNiditra tao an-tranon\u2019ny tsy mifora ianao sady niara-nisakafo taminy.\u201d",
        "4": "Nohazavain\u2019i Petera tamin\u2019ny an-tsipiriany \u00e0ry izay nitranga, ka hoy izy:",
        "5": "\u201cTao an-tan\u00e0nan\u2019i Jopa aho tamin\u2019izay. Nivavaka aho ary avy eo nahita fahitana. Nahita zavatra hoatran\u2019ny lamba rongony lehibe nidina avy any an-danitra aho. Nampidinina tamin\u2019ny zorony efatra ilay izy, ka tonga teo amiko.",
        "6": "Nijery tsara ny tao anatiny aho, dia nahita biby manan-tongotra efatra, sy bibidia, sy biby mandady, ary voro-manidina.",
        "7": "Henoko nisy feo koa niteny tamiko hoe: \u2018Petera\u00a0a, mitsang\u00e0na! Vonoy dia hano!\u2019",
        "8": "Fa hoy aho: \u2018Sanatria, Tompo\u00a0\u00f4! Fa mbola tsy niditra ny vavako mihitsy izay zavatra maloto na tsy madio.\u2019",
        "9": "Dia namaly fanindroany ilay feo avy any an-danitra hoe: \u2018Aza ataonao intsony hoe maloto izay efa nodiovin\u2019Andriamanitra.\u2019",
        "10": "Ary nitranga fanintelony izany, dia nosintonina niakatra tany an-danitra indray ny zava-drehetra.",
        "11": "Tamin\u2019izay indrindra no nisy telo lahy tonga teo amin\u2019ilay trano nipetrahanay. Avy any Kaisaria izy ireo no nirahina ho any amiko.",
        "12": "Dia nilaza tamiko ny fanahy masina mba hiaraka tamin\u2019izy ireo ka tsy hisalasala mihitsy. Ary niaraka tamiko koa ireto rahalahy enina ireto, dia niditra tao an-tranon\u2019ilay lehilahy izahay.",
        "13": "\u201cNitantara taminay izy hoe nahita anjely nijoro tao an-tranony, dia niteny taminy izy io hoe: \u2018Maniraha olona ho any Jopa mba haka an\u2019i Simona, ilay antsoina koa hoe Petera,",
        "14": "fa holazainy anao hoe ahoana no hahavoavonjy anao sy ny ankohonanao manontolo.\u2019",
        "15": "Vao niteny kelikely anefa aho, dia nilatsaka tamin\u2019izy ireo ny fanahy masina, hoatran\u2019ilay nilatsahany tamintsika tamin\u2019ny voalohany.",
        "16": "Tamin\u2019izay dia tadidiko ny tenin\u2019ny Tompo, izay nilaza matetika hoe: \u2018I Jaona nanao batisa tamin\u2019ny rano, fa ianareo kosa hatao batisa amin\u2019ny fanahy masina.\u2019",
        "17": "Nomen\u2019Andriamanitra fanomezana maimaim-poana isika satria nino an\u2019i Jesosy Kristy Tompo. Koa raha nomen\u2019Andriamanitra an\u2019izany fanomezana izany koa izy ireo, dia iza moa aho no hahasakana an\u2019Andriamanitra?\u201d",
        "18": "Rehefa naheno an\u2019izany izy ireo, dia tsy nanohitra intsony. Nanome voninahitra an\u2019Andriamanitra kosa izy ireo, ka niteny hoe: \u201cHay ve ka tian\u2019Andriamanitra hibebaka koa ny hafa firenena mba hahazoan\u2019izy ireo fiainana\u00a0e!\u201d",
        "19": "Niparitaka ny mpianatra noho ilay fanenjehana taorian\u2019ny namonoana an\u2019i Stefana, ka tonga hatrany Fenisia sy Sipra ary Antiokia. Tsy nitory ny teny afa-tsy tamin\u2019ny Jiosy ihany anefa izy ireo.",
        "20": "Nisy tamin\u2019izay avy any Sipra sy Kyrena anefa tonga tany Antiokia. Ary niresaka tamin\u2019ny olona miteny grika izy ireo, ka nitory ny vaovao tsara momba an\u2019i Jesosy Tompo.",
        "21": "Dia nanampy azy ireo ny tanan\u2019i Jehovah. Ary be dia be no lasa mpino ka niova sy nanaiky ny Tompo.",
        "22": "Henon\u2019ny fiangonana tany Jerosalema ny fitantarana momba azy ireo, ka nirahin\u2019ny fiangonana handeha hatrany Antiokia i Barnabasy.",
        "23": "Faly i Barnabasy rehefa tonga tany ka nahita fa naneho hatsaram-panahy miavaka Andriamanitra. Dia nampahery ny rehetra izy mba ho tapa-kevitra foana hifikitra amin\u2019ny Tompo amin\u2019 ny fo manontolo.",
        "24": "Fa lehilahy tsara fanahy sy feno fanahy masina ary tena nanam-pinoana izy. Ary vahoaka be no lasa nino ny Tompo.",
        "25": "Dia nankany Tarsosy izy mba hikaroka an\u2019i Saoly.",
        "26": "Rehefa hitany i Saoly, dia nentiny tany Antiokia. Koa niara-nivory tamin\u2019ny fiangonana tany izy roa lahy ary nampianatra olona maro be, nandritra ny herintaona katroka. Tany Antiokia no niantsoana voalohany ny mpianatra hoe Kristianina, noho ny fitarihan\u2019Andriamanitra.",
        "27": "Nisy mpaminany nidina avy any Jerosalema nankany Antiokia, tamin\u2019izany andro izany.",
        "28": "Anisan\u2019ireny ilay antsoina hoe Agabo, izay notarihin\u2019ny fanahy hilaza mialoha fa tsy ho ela dia hisy mosary lehibe hanerana ny tany. Dia izany tokoa no nitranga tamin\u2019ny andron\u2019i Klaodio.",
        "29": "Nanapa-kevitra \u00e0ry ny mpianatra fa samy handefa fanampiana araka izay vitany, ho an\u2019ireo rahalahy nipetraka tany Jodia.",
        "30": "Dia nandefa fanampiana ho any amin\u2019ny anti-panahy tokoa izy ireo, ary i Barnabasy sy Saoly no nampitondrainy an\u2019izany."
    },
    "12": {
        "1": "Tamin\u2019izany fotoana izany, dia nampijalin\u2019i Heroda Mpanjaka ny sasany tamin\u2019ireo anisan\u2019ny fiangonana.",
        "2": "Novonoiny tamin\u2019ny sabatra i Jakoba, rahalahin\u2019i Jaona.",
        "3": "Rehefa hitany fa nahafaly ny Jiosy izany, dia nosamboriny koa i Petera.\u2014Andro fihinanana ny Mofo Tsy Misy Lalivay tamin\u2019izay.\u2014",
        "4": "Nogadrainy i Petera rehefa avy nosamboriny. Ary antoko-miaramila efatra, izay nisy miaramila efatra avy, no nasainy nifandimby niambina azy. Tiany haseho amin\u2019ny vahoaka mantsy izy aorian\u2019ny Paska.",
        "5": "Notanana am-ponja \u00e0ry i Petera, fa ny fiangonana kosa nivavaka mafy tamin\u2019Andriamanitra ho azy.",
        "6": "Ny alina talohan\u2019ny hampisehoan\u2019i Heroda azy, dia natory teo anelanelan\u2019ny miaramila roa i Petera, voafatotra rojo\u00a0vy roa. Nisy mpiambina koa teo anoloan\u2019ny varavarana, niambina ny fonja.",
        "7": "Dia iny fa nisy anjelin\u2019i Jehovah nijoro teo, ary nisy hazavana namirapiratra tao amin\u2019ilay efitra figadrana. Ary nodoniny teo amin\u2019ny tehezany i Petera ka nofohaziny, sady hoy izy: \u201cMitsang\u00e0na haingana!\u201d Dia latsaka niala tamin\u2019ny tanan\u2019i Petera ny rojo\u00a0vy.",
        "8": "Ary hoy ilay anjely taminy: \u201cMiakanjoa ary anaovy ny kapanao.\u201d Koa nataony izany. Farany, dia hoy ilay anjely: \u201cAnaovy ny akanjonao ivelany, dia araho aho.\u201d",
        "9": "Dia nivoaka nanaraka an\u2019ilay anjely i Petera. Tsy fantany anefa hoe tena nisy ny zavatra nataon\u2019ilay anjely, fa noheveriny hoe nahita fahitana izy.",
        "10": "Nandalo an\u2019ireo mpiambina voalohany sy faharoa izy ireo, ka tonga teo amin\u2019ilay vavahady vy mankao an-tan\u00e0na. Dia nisokatra ho azy ilay vavahady mba hivoahan\u2019izy ireo. Rehefa tafavoaka izy ireo, dia nandeha nidina tamin\u2019ny lalana iray. Nandao azy avy hatrany ilay anjely avy eo.",
        "11": "Ary hoy i Petera, rehefa tonga saina tsara: \u201cIzao aho vao tena mino hoe naniraka ny anjeliny i Jehovah, mba hanafaka ahy tamin\u2019i Heroda sy tamin\u2019izay zava-dratsy noeritreretin\u2019ny Jiosy hoe hanjo ahy.\u201d",
        "12": "Rehefa avy nieritreritra momba an\u2019izany izy, dia nankany an-tranon\u2019i Maria, renin\u2019i Jaona, ilay antsoina koa hoe Marka. Ary nisy olona be dia be nivory sy nivavaka tao.",
        "13": "Dia nandond\u00f2na teo am-bavahady izy, ka nankeny ny mpanompovavy atao hoe Roda mba hijery hoe iza izany.",
        "14": "Vao fantany ny feon\u2019i Petera, dia faly loatra izy ka tsy novohany ny vavahady, fa lasa izy nihazakazaka niditra dia nilaza hoe mijoro ao am-bavahady i Petera.",
        "15": "Ary hoy ny olona taminy: \u201cIanao ve adala\u00a0e?\u201d Mbola nanizingizina ihany anefa izy fa tena ao tokoa i Petera. Dia hoy izy ireo: \u201cAnjeliny izany.\u201d",
        "16": "Fa mbola nandond\u00f2na tao foana i Petera, ka rehefa nanokatra an\u2019ilay vavahady izy ireo, dia nahita azy ka gaga.",
        "17": "Nanao fihetsika tamin\u2019ny tanany anefa izy mba hampanginana azy ireo, ary notantarainy tamin\u2019ny an-tsipiriany ny namoahan\u2019i Jehovah azy avy tao am-ponja. Ary hoy izy: \u201cTantarao amin\u2019i Jakoba sy ny rahalahy izany.\u201d Dia nivoaka izy, ary lasa nankany an-toeran-kafa.",
        "18": "Rehefa maraina ny andro, dia nisahotaka be ihany ny miaramila sady nifanontany hoe nankaiza i Petera.",
        "19": "Nikaroka azy hatraiza hatraiza i Heroda, fa tsy nahita. Dia nofotopotorany ireo mpiambina, ary nasainy nentina hosazina. Ary niala tany Jodia i Heroda ka nidina tany Kaisaria, ary nijanona kelikely tany.",
        "20": "Tezitra tamin\u2019ny mponin\u2019i Tyro sy Sidona i Heroda. Koa nifanaraka izy ireo hoe ho any aminy. Rehefa avy nandresy lahatra an\u2019i Blasto, izay niandraikitra ny ankohonan\u2019ny mpanjaka, izy ireo, dia nitady fihavanana tamin\u2019ny mpanjaka. Ny tanin\u2019ny mpanjaka mantsy no namatsy sakafo ny firenen\u2019izy ireo.",
        "21": "Tamin\u2019ny andro voatondro \u00e0ry, dia nanao akanjona mpanjaka i Heroda ka nipetraka teo amin\u2019ny toeram-pitsarana ary nikabary tamin\u2019ny vahoaka.",
        "22": "Dia nihorakoraka mafy ny vahoaka nivory teo hoe: \u201cFeon\u2019andriamanitra izany, fa tsy feon\u2019olona!\u201d",
        "23": "Teo no ho eo ihany, dia namely an\u2019i Heroda ny anjelin\u2019i Jehovah, satria tsy nanome voninahitra an\u2019Andriamanitra izy. Dia lanin\u2019ny kankana izy, ka maty.",
        "24": "Fa mbola niely foana ny tenin\u2019i Jehovah ary nihabetsaka ny olona lasa mpino.",
        "25": "Rehefa vitan\u2019i Barnabasy sy Saoly ny fizarana fanampiana tany Jerosalema, dia niverina izy roa lahy ka nentiny niaraka taminy i Jaona, ilay antsoina koa hoe Marka."
    },
    "13": {
        "1": "Nisy an\u2019ireto mpaminany sy mpampianatra ireto teo anivon\u2019ny fiangonana tany Antiokia: I Barnabasy, Simeona ilay antsoina hoe Nigera, Losio avy any Kyrena, Menahema izay niara-nianatra tamin\u2019i Heroda lehibem-paritra, ary Saoly.",
        "2": "Raha mbola nanompo an\u2019i Jehovah izy ireo sady nifady hanina, dia hoy ny fanahy masina: \u201cAtok\u00e0ny ho ahy i Barnabasy sy Saoly mba hanao ny asa iantsoako azy.\u201d",
        "3": "Rehefa avy nifady hanina sy nivavaka izy ireo, dia nametra-tanana tamin\u2019izy roa lahy ary nandefa azy.",
        "4": "Koa nirahin\u2019ny fanahy masina izy roa lahy, dia nidina tany Seleokia, ary avy any izy ireo no nandeha sambo nankany Sipra.",
        "5": "Rehefa tonga tany Salamisy izy ireo, dia nanambara ny tenin\u2019Andriamanitra tao amin\u2019ny synagogan\u2019ny Jiosy. Niaraka tamin\u2019izy roa lahy koa i Jaona mba hikarakara azy ireo.",
        "6": "Dia namakivaky an\u2019ilay nosy manontolo izy ireo ka tonga hatrany Pafo, ary nihaona tamin\u2019ny lehilahy jiosy antsoina hoe Barjesosy. Mpilalao ody izy io sady mpaminany sandoka,",
        "7": "ary niasa ho an\u2019i Sergio Paolo governoram-paritra, izay lehilahy nahira-tsaina. Dia nantsoin\u2019ilay governora i Barnabasy sy Saoly satria naniry mafy haheno ny tenin\u2019Andriamanitra izy.",
        "8": "Nanohitra azy roa lahy anefa i Elyma mpilalao ody\u2014izany mantsy ny anarany raha adika\u2014ka nitady hisakana an\u2019ilay governoram-paritra tsy hino ny Tompo.",
        "9": "Dia feno fanahy masina i Saoly, ilay antsoina koa hoe Paoly, ka nibanjina azy",
        "10": "ary niteny hoe: \u201cRy\u00a0lehilahy tsy manan-tsaina afa-tsy ny hamitaka sy hanao ratsy, sady zanaky ny Devoly no fahavalon\u2019ny fahamarinana rehetra! Rahoviana ianao vao tsy hanolana intsony ny lala-mahitsin\u2019i Jehovah?",
        "11": "Koa hamely anao ny tanan\u2019i Jehovah ka ho jamba ianao, ary hisy fotoana ianao tsy hahita ny hazavan\u2019ny masoandro.\u201d Teo no ho eo ihany, dia nisy zavona matevina sy haizina nanarona azy, ka nihodinkodina nitady olona hitantana azy izy.",
        "12": "Rehefa nahita an\u2019izany ilay governoram-paritra, dia nino satria gaga tamin\u2019ny fampianaran\u2019i Jehovah.",
        "13": "Ary nandeha sambo avy tao Pafo i Paoly sy ny namany, ka tonga tany Perga any Pamfylia. Nandao azy ireo anefa i Jaona, dia niverina tany Jerosalema.",
        "14": "Fa izy ireo kosa nanohy ny diany, dia niala tao Perga ka tonga tany Antiokia, any Pisidia. Dia niditra tao amin\u2019ny synagoga izy ireo tamin\u2019ny Sabata ary nipetraka.",
        "15": "Rehefa voavaky teo anatrehan\u2019ny rehetra ny Lal\u00e0na sy ny Mpaminany, dia naniraka olona hilaza tamin\u2019izy roa lahy ny mpitantana ny synagoga hoe: \u201cRy\u00a0rahalahy, raha manana teny hampaherezana ny olona ianareo, dia teneno!\u201d",
        "16": "Nitsangana \u00e0ry i Paoly, ary nanao fihetsika tamin\u2019ny tanany mba hampanginana ny olona. Dia hoy izy: \u201cRy Israelita sy ianareo matahotra an\u2019Andriamanitra, henoy aho!",
        "17": "Nifidy ny razambentsika ny Andriamanitr\u2019ity vahoakan\u2019Israely ity ka nanandratra azy tamin\u2019izy ireo nivahiny tany Ejipta, ary namoaka azy avy tany tamin\u2019ny herin-tsandriny.",
        "18": "Dia niaritra ny nataon\u2019izy ireo tany an-tany efitra izy nandritra ny 40\u00a0taona teo ho eo.",
        "19": "Rehefa avy nandringana firenena fito tao amin\u2019ny tany Kanana izy, dia nanome an\u2019ilay tany ho lovan\u2019izy ireo.",
        "20": "Naharitra 450\u00a0taona teo ho eo izany rehetra izany. \u201cTaorian\u2019izay, dia nomeny mpitsara izy ireo mandra-pahatongan\u2019ny andron\u2019i Samoela mpaminany.",
        "21": "Nangataka mpanjaka anefa izy ireo tat\u1ef3 aoriana, ka nomen\u2019Andriamanitra azy ireo nandritra ny 40\u00a0taona i Saoly zanak\u2019i Kisy, lehilahy avy tamin\u2019ny fokon\u2019i Benjamina.",
        "22": "Ary rehefa nesoriny i Saoly, dia notendreny ho mpanjakan\u2019izy ireo i Davida. Izao no nambarany momba azy: \u2018Nahita an\u2019i Davida zanak\u2019i Jese aho. Lehilahy sitraky ny foko izy, ary hanao an\u2019izay rehetra tiako.\u2019",
        "23": "Avy tamin\u2019ny taranak\u2019izany lehilahy izany no nanomezan\u2019Andriamanitra mpamonjy ho an\u2019ny Israely. Tsy iza izany fa i Jesosy, araka ny efa nampanantenainy.",
        "24": "Talohan\u2019ny nahatongavan\u2019izy io, dia nitory ampahibemaso tamin\u2019ny vahoakan\u2019Israely manontolo i Jaona hoe tokony hatao batisa izy ireo mba hampisehoana hoe efa nibebaka.",
        "25": "Rehefa vita anefa ny asa nanendrena an\u2019i Jaona, dia niteny izy hoe: \u2018Iza no fiheveranareo ahy? Tsy izaho ilay eritreretinareo. Fa misy anankiray ho tonga ao aorianako, ary tsy mendrika hamaha ny kapa amin\u2019ny tongony akory aza aho.\u2019",
        "26": "\u201cRy\u00a0rahalahy, taranak\u2019i Abrahama sy ianareo matahotra an\u2019Andriamanitra, nalefa ho antsika izany hafatra momba ny famonjena izany.",
        "27": "Tsy nanaiky azy ny mponin\u2019i Jerosalema sy ny mpitondra teo aminy. Rehefa nitsara azy anefa izy ireo dia nanatanteraka an\u2019izay efa nolazain\u2019ireo Mpaminany, izay vakina mafy isaky ny sabata.",
        "28": "Ary nangataka tamin\u2019i Pilato ny hamonoana azy ho faty izy ireo, na dia tsy nahita antony tokony hamonoana azy aza.",
        "29": "Ary rehefa notanterahin\u2019izy ireo daholo izay voasoratra momba azy, dia nampidininy avy teo amin\u2019ny tsato-kazo izy, ary naleviny tao am-pasana.",
        "30": "Fa Andriamanitra kosa nanangana azy tamin\u2019ny maty.",
        "31": "Dia niseho tamin\u2019ireo niara-niakatra taminy avy tany Galilia ho any Jerosalema izy, nandritra ny andro maro. Ireny izao no vavolombelony eo anatrehan\u2019ny olona.",
        "32": "\u201cKoa torinay aminareo ny vaovao tsara momba an\u2019ilay fampanantenana natao tamin\u2019ny razambentsika.",
        "33": "Tena notanterahin\u2019Andriamanitra tamintsika taranany izany fampanantenana izany, rehefa nanangana an\u2019i Jesosy tamin\u2019ny maty izy, araka ny voasoratra ao amin\u2019ny salamo faharoa hoe: \u2018Zanako ianao; androany aho no lasa Rainao.\u2019",
        "34": "Natsangany tamin\u2019ny maty tokoa izy mba tsy ho lo intsony, araka ny nolazainy hoe: \u2018Ho tia anareo aho ary tsy hivadika aminareo araka ny nampanantenaiko an\u2019i Davida. Ary azo itokisana izany fampanantenana izany.\u2019",
        "35": "Izao koa no voalazan\u2019ny salamo hafa: \u2018Tsy havelanao ho lo ilay mpanomponao tsy mivadika.\u2019",
        "36": "Rehefa avy nanompo an\u2019Andriamanitra teo anivon\u2019ny mpiara-belona taminy i Davida, dia nodimandry ka nalevina any amin\u2019ny razambeny, dia lo.",
        "37": "Fa ilay natsangan\u2019Andriamanitra kosa tsy lo.",
        "38": "\u201cAoka \u00e0ry ho fantatrareo, ry\u00a0rahalahy, fa amin\u2019ny alalany no hahazoana famelan-keloka, ary izany no torina aminareo.",
        "39": "Ary ambara ho tsy manan-tsiny amin\u2019ny alalany koa izay rehetra mino. Tsy afaka nanambara anareo ho tsy manan-tsiny amin\u2019ny zava-drehetra mantsy ny Lal\u00e0n\u2019i Mosesy.",
        "40": "Koa tandremo sao hihatra aminareo ny voalaza ao amin\u2019ny Mpaminany hoe:",
        "41": "\u2018Jereo izany, ry\u00a0mpaniratsira, dia aoka ianareo ho gaga amin\u2019izany ary ho ripaka. Manao zavatra aho mantsy amin\u2019izao andronareo izao, dia zavatra tsy hinoanareo mihitsy, na dia misy mitantara aminareo amin\u2019ny an-tsipiriany aza.\u2019\u201d",
        "42": "Rehefa nivoaka avy tao amin\u2019ny synagoga izy roa lahy, dia niangavy azy ireo ny olona mba hiresaka an\u2019izany indray amin\u2019izy ireo, ny Sabata manaraka.",
        "43": "Koa rehefa nirava ny fivoriana tao amin\u2019ny synagoga, dia maro no nanaraka an\u2019i Paoly sy Barnabasy, na Jiosy izany na olona lasa nanaraka ny fivavahana jiosy izay nanompo an\u2019Andriamanitra. Ary niresaka tamin\u2019ireo izy roa lahy, ka nampirisika azy ireo hiezaka foana mba ho mendrika ny hanehoan\u2019Andriamanitra hatsaram-panahy miavaka.",
        "44": "Saiky ny rehetra tao an-tan\u00e0na no nivory mba hihaino ny tenin\u2019i Jehovah ny Sabata taorian\u2019izay.",
        "45": "Rehefa nahita an\u2019ireo vahoaka ireo ny Jiosy, dia velom-pialonana ka nanevateva sy nanohitra an\u2019izay nolazain\u2019i Paoly.",
        "46": "Dia sahy niteny tamin\u2019izy ireo i Paoly sy Barnabasy hoe: \u201cTsy maintsy notorina taminareo aloha ny tenin\u2019Andriamanitra. Koa satria lavinareo izany ka tsy eritreretinareo hoe mendrika ny fiainana mandrakizay ianareo, dia ho any amin\u2019ny hafa firenena izahay.",
        "47": "Fa izao teny izao no didy nomen\u2019i Jehovah anay: \u2018Notendreko ho fahazavan\u2019ny hafa firenena ianao, mba ho ianao no hamonjena ny olona hatrany amin\u2019ny faran\u2019ny tany.\u2019\u201d",
        "48": "Rehefa nandre an\u2019izany ny hafa firenena dia faly sy nanome voninahitra ny tenin\u2019i Jehovah. Ary izay nanana toe-po tsara mba hahazoana fiainana mandrakizay dia lasa mpino.",
        "49": "Noresahina eran\u2019ilay tany koa ny tenin\u2019i Jehovah ka niely.",
        "50": "Fa nampirisihin\u2019ny Jiosy ny vehivavy manan-kaja izay mpivavaka tamin\u2019Andriamanitra, sy ireo manam-pahefana tao an-tan\u00e0na, ka nitaona ny olona hanenjika an\u2019i Paoly sy Barnabasy, sady nandroaka azy roa lahy tany ivelan\u2019ny faritaniny.",
        "51": "Koa nahintsan\u2019izy roa lahy ny vovoka tamin\u2019ny tongony mba hanamelohana azy ireo, dia lasa nankany Ikonioma izy roa lahy.",
        "52": "Ary mbola faly\u00a0be sady feno fanahy masina foana ireo mpianatra."
    },
    "14": {
        "1": "Dia niditra tao amin\u2019ny synagogan\u2019ny Jiosy tany Ikonioma izy roa lahy. Tena nahay nandaha-teny izy ireo, ka maro be no lasa mpino, na Jiosy na Grika.",
        "2": "Ireo Jiosy tsy nino kosa nampirisika sy nitaona ny olona hafa firenena mba hanohitra an\u2019ireo rahalahy.",
        "3": "Nitory elaela tao izy roa lahy, ary tena sahy rehefa nanao an\u2019izany noho ny fahefana nomen\u2019i Jehovah azy. Nataony nahavita famantarana sy fahagagana izy roa lahy, mba hanaporofoany fa tena marina ny teny notorina momba ny hatsaram-panahiny miavaka.",
        "4": "Tsy nitovy hevitra anefa ny olona maro be tao an-tan\u00e0na: Ny sasany niandany tamin\u2019ny Jiosy, fa ny sasany kosa niandany tamin\u2019ny apostoly.",
        "5": "Ary nila ady sy nitady hitora-bato azy roa lahy ny hafa firenena sy ny Jiosy ary ny mpitondra azy ireo.",
        "6": "Nampahafantarina azy roa lahy anefa izany, ka nandositra tany amin\u2019ireo tan\u00e0na any Lykaonia izy ireo, izany hoe tany Lystra sy Derbe, ary ny faritra manodidina.",
        "7": "Nanohy nitory ny vaovao tsara izy ireo tany.",
        "8": "Ary nisy lehilahy kilemaina tao Lystra. Nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny izy, ka mbola tsy nandeha mihitsy. Ary nipetraka",
        "9": "nihaino an\u2019i Paoly nandaha-teny izy. Dia nibanjina azy i Paoly ary nahita fa nanam-pinoana izy ka azo nositranina.",
        "10": "Niteny mafy taminy \u00e0ry i Paoly hoe: \u201cMitsang\u00e0na dia mijoroa amin\u2019ny tongotrao!\u201d Tonga\u00a0dia nitsangana ilay lehilahy ka nanomboka nandeha.",
        "11": "Rehefa hitan\u2019ny vahoaka ny nataon\u2019i Paoly, dia niantsoantso tamin\u2019ny teny lykaonianina izy ireo hoe: \u201cLasa mitovy amin\u2019ny olombelona ireo andriamanitra, ary nidina et\u1ef3 amintsika!\u201d",
        "12": "Dia nantsoiny hoe Zeosy i Barnabasy, fa i Paoly kosa Hermesy satria izy foana matetika no niteny.",
        "13": "Ary nitondra omby sy fehiloha voninkazo nankeny amin\u2019ny vavahady ny mpisoron\u2019i Zeosy, fa teo amin\u2019ny fidirana amin\u2019ilay tan\u00e0na ny tempolin\u2019izy io. Ary te hanao sorona niaraka tamin\u2019ny vahoaka ilay mpisorona.",
        "14": "Rehefa naheno an\u2019izany anefa i Barnabasy sy Paoly, izay samy apostoly, dia nandrovitra ny akanjony ary nihazakazaka nankeo amin\u2019ny vahoaka. Dia niantsoantso izy ireo hoe:",
        "15": "\u201c\u00d4\u00a0rey olona\u00a0a, fa maninona ianareo no manao an\u2019izao? Olombelona ihany ange izahay\u00a0e, hoatr\u2019anareo ihany! Ary mitory ny vaovao tsara aminareo izahay mba hialanareo amin\u2019izao zavatra tsy misy dikany izao, ka hanatonanareo an\u2019ilay Andriamanitra velona. Izy no nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny zava-drehetra ao amin\u2019ireo.",
        "16": "Navelany hanao izay tiany ny firenena rehetra taloha,",
        "17": "kanefa ny soa nataony no vavolombelona manaporofo ny maha izy azy. Nanao soa tokoa izy, ka nandatsaka orana ho anareo avy any an-danitra sy nanome anareo vokatra be dia be amin\u2019ny fotoanany. Dia nataony voky sakafo ianareo sady nofenoiny fifaliana ny fonareo.\u201d",
        "18": "Fa na dia nilaza an\u2019izany aza izy roa lahy, dia saiky tsy nahasakana ny olona tsy hanao sorona ho azy ireo.",
        "19": "Nisy Jiosy tonga anefa avy any Antiokia sy Ikonioma, ka nandresy lahatra ny vahoaka. Dia nitora-bato an\u2019i Paoly izy ireo ary nitaritarika azy ho eny ivelan\u2019ny tan\u00e0na, satria noheveriny fa efa maty izy.",
        "20": "Rehefa nitangorona teo amin\u2019i Paoly anefa ny mpianatra, dia nitsangana izy ary niditra tao an-tan\u00e0na. Ary niala tao izy sy Barnabasy ny ampitson\u2019iny, ka nankany Derbe.",
        "21": "Nitory ny vaovao tsara tao amin\u2019io tan\u00e0na io izy roa lahy, sady nanampy olona be dia be ho lasa mpianatra. Niverina tany Lystra sy Ikonioma ary Antiokia izy ireo avy eo.",
        "22": "Ary nankahery an\u2019ireo mpianatra tany izy ireo sady nampirisika azy tsy hiala amin\u2019ny finoana, ka niteny hoe: \u201cTsy maintsy miatrika fahoriana maro isika vao ho tafiditra ao amin\u2019ny Fanjakan\u2019Andriamanitra.\u201d",
        "23": "Nanendry anti-panahy teo anivon\u2019ny fiangonana tsirairay koa izy roa lahy, ary nivavaka sy nifady hanina, dia nanankina azy ireo tamin\u2019i Jehovah, izay ninoan\u2019izy ireo.",
        "24": "Dia namakivaky an\u2019i Pisidia izy roa lahy ka tonga tany Pamfylia.",
        "25": "Ary rehefa avy nanambara ny teny tao Perga izy ireo, dia nidina nankany Atalia.",
        "26": "Ary niala tao indray izy ireo dia nandeha sambo nankany Antiokia. Tao ireo rahalahy no nangataka tamin\u2019Andriamanitra mba haneho hatsaram-panahy miavaka tamin\u2019izy roa lahy, tamin\u2019izy ireo hanomboka an\u2019ilay asa, izay efa vitany tanteraka izao.",
        "27": "Rehefa tonga tao izy roa lahy, dia novoriny ny fiangonana. Ary notantarain\u2019izy roa lahy tamin\u2019izy ireo ny zavatra maro nataon\u2019Andriamanitra tamin\u2019ny alalan\u2019izy roa lahy, sy izay nataon\u2019Andriamanitra mba hahafahan\u2019ny hafa firenena maneho finoana.",
        "28": "Koa nijanona elaela niaraka tamin\u2019ny mpianatra izy roa lahy."
    },
    "15": {
        "1": "Nisy olona nidina avy tany Jodia nampianatra an\u2019ireo rahalahy hoe: \u201cTsy ho voavonjy ianareo, raha tsy forana araka ny Lal\u00e0n\u2019i Mosesy.\u201d",
        "2": "Dia nifamaly sy niady hevitra be tamin\u2019izy ireo i Paoly sy Barnabasy. Koa nifanarahana hoe hiakatra ho any amin\u2019ny apostoly sy ny anti-panahy any Jerosalema i Paoly sy Barnabasy ary ny sasany taminy, mba hitondra an\u2019ilay adihevitra.",
        "3": "Naterin\u2019ny fiangonana teny antenatenan-dalana \u00e0ry ireo lehilahy ireo. Dia nanohy ny diany namakivaky an\u2019i Fenisia sy Samaria izy ireo, sady nitantara tamin\u2019ny an-tsipiriany hoe nisy hafa firenena nitodika tamin\u2019Andriamanitra, ka faly be daholo ireo rahalahy.",
        "4": "Rehefa tonga tany Jerosalema izy ireo, dia nandray tsara azy ireo ny fiangonana sy ny apostoly ary ny anti-panahy. Dia notantarain\u2019izy ireo ny zavatra be dia be nataon\u2019Andriamanitra tamin\u2019ny alalany.",
        "5": "Fa nitsangana kosa ny mpino sasany izay efa tao amin\u2019ny sektan\u2019ny Fariseo, ka niteny hoe: \u201cTokony hoforana ireny ary hasaina manaraka ny Lal\u00e0n\u2019i Mosesy.\u201d",
        "6": "Nivory \u00e0ry ny apostoly sy ny anti-panahy mba handinika an\u2019ilay raharaha.",
        "7": "Rehefa avy niady hevitra be izy ireo, dia nitsangana i Petera ka nilaza hoe: \u201cRy\u00a0rahalahy, fantatrareo tsara fa efa hatrany am-piandohana Andriamanitra no nifidy ahy teo aminareo, mba ho amin\u2019ny alalako no handrenesan\u2019ny hafa firenena ny tenin\u2019ny vaovao tsara, ka hinoany.",
        "8": "Ary Andriamanitra, izay mahalala ny fo, no nanome porofo hoe ankasitrahany izy ireo tamin\u2019ny nanomezany azy ireo ny fanahy masina, hoatran\u2019ny nataony tamintsika koa.",
        "9": "Ary nitovy ihany ny nitondrany antsika sy ry\u00a0zareo, satria nodioviny koa ny fon\u2019izy ireo noho ry\u00a0zareo naneho finoana.",
        "10": "Koa nahoana ianareo izao no mitsapa toetra an\u2019Andriamanitra, ka terenareo hasiana zioga ny vozon\u2019ny mpianatra, nefa samy tsy nahazaka an\u2019izany na isika na ny razambentsika?",
        "11": "Mino kosa isika fa ny hatsaram-panahy miavaka nasehon\u2019i Jesosy Tompo no amonjena antsika, hoatran\u2019ny amonjena azy ireo koa.\u201d",
        "12": "Rehefa naheno an\u2019izany izy rehetra dia nangina, ka nihaino an\u2019i Barnabasy sy Paoly nitantara an\u2019ireo famantarana sy fahagagana maro nataon\u2019Andriamanitra tamin\u2019ny alalan\u2019izy ireo, teo amin\u2019ny hafa firenena.",
        "13": "Rehefa tapitra ny tenin\u2019izy roa lahy, dia hoy i Jakoba: \u201cMba henoy aho, ry\u00a0rahalahy.",
        "14": "Notantarain\u2019i Simeona tamin\u2019ny an-tsipiriany teo hoe vao voalohany Andriamanitra no nanaiky an\u2019ireo hafa firenena, mba hakany olona avy amin\u2019izy ireo hitondra ny anarany.",
        "15": "Ary mifanaraka amin\u2019izany ny tenin\u2019ny Mpaminany, araka ny voasoratra hoe:",
        "16": "\u2018Aorian\u2019izany, dia hiverina aho ka hatsangako indray ny tranolain\u2019i Davida izay efa nirodana. Hamboariko indray ny sisa tsy rava tamin\u2019ilay izy ka haveriko amin\u2019ny laoniny.",
        "17": "Amin\u2019izay dia hazoto hitady an\u2019i Jehovah ny olona sisa tavela, miaraka amin\u2019ireo avy amin\u2019ny firenena rehetra, dia ireo olona antsoina amin\u2019ny anarako, hoy i Jehovah, izay hanao an\u2019izany zavatra",
        "18": "efa fantatra hatry ny ela izany.\u2019",
        "19": "Koa izao no hevitro: Aleo tsy atao izay hanahirana an\u2019ireo hafa firenena mitodika amin\u2019Andriamanitra,",
        "20": "fa andao hanoratra ho azy ireo mba hifadiany ny zavatra voaloton\u2019ny sampy, sy hifadiany ny fijangajangana sy ny biby nokendaina ary ny ra.",
        "21": "Efa hatry ny ela\u00a0be mantsy i Mosesy no nanana olona nitory momba azy isan-tan\u00e0na, ary vakina mafy ao amin\u2019ny synagoga isaky ny sabata izay nosoratany.\u201d",
        "22": "Dia nanapa-kevitra ny apostoly sy ny anti-panahy ary ny fiangonana manontolo fa hifidy olona eo aminy, dia haniraka azy ireo hiaraka amin\u2019i Paoly sy Barnabasy hankany Antiokia. I Jodasy, ilay antsoina hoe Barsabasy, sy Silasy no nirahin\u2019izy ireo. Samy nitana andraikitra lehibe teo amin\u2019ireo rahalahy izy roa lahy.",
        "23": "Ary izao no nosoratan\u2019izy ireo tao amin\u2019ilay taratasy nampitondrainy azy ireo: \u201cHo an\u2019ireo rahalahy hafa firenena any Antiokia sy Syria ary Kilikia. Miarahaba anareo izahay rahalahinareo, dia ny apostoly sy ny anti-panahy!",
        "24": "Henonay fa nisy taminay tonga tany, dia nilaza zavatra nampikorontan-tsaina anareo, ka nitady hanozongozona ny finoanareo. Tsy nasainay nanao an\u2019izany anefa ry zareo.",
        "25": "Koa nifanaraka izahay rehetra hoe hifidy olona hirahina ho any aminareo hiaraka amin\u2019i Barnabasy sy Paoly rahalahy malalanay,",
        "26": "izay samy efa nanao vivery ny ainy ho an\u2019ny anaran\u2019i Jesosy Kristy Tompontsika.",
        "27": "Maniraka an\u2019i Jodasy sy Silasy \u00e0ry izahay mba hilaza an\u2019izany mivantana aminareo koa.",
        "28": "Fa sitraky ny fanahy masina sy izahay ny tsy hampitondra enta-mavesatra anareo, afa-tsy ireto zavatra tsy maintsy hotandremana ireto:",
        "29": "Ny mifady ny zavatra natao sorona ho an\u2019ny sampy, sy ny ra, sy ny biby nokendaina, ary ny fijangajangana. Handray soa ianareo raha mifady an\u2019ireo zavatra ireo foana. Mirary soa ho anareo izahay!\u201d",
        "30": "Nalefa \u00e0ry ireo lehilahy ireo ka nidina tany Antiokia. Ary novorin\u2019izy ireo daholo ny mpianatra, dia nomeny azy ireo ilay taratasy.",
        "31": "Rehefa voavakin\u2019ireo mpianatra ilay taratasy, dia faly izy ireo satria nampahery azy ireo ilay izy.",
        "32": "Ary nanao lahateny maro i Jodasy sy Silasy mba hampaherezana sy hanatanjahana azy ireo, satria mpaminany koa izy roa lahy.",
        "33": "Nijanona kelikely tao izy roa lahy, dia avy eo nalefan\u2019ireo rahalahy hiverina soa aman-tsara tany amin\u2019izay naniraka azy.",
        "34": "* \u2014\u2014",
        "35": "Fa nijanona nampianatra tany Antiokia kosa i Paoly sy Barnabasy, ary nitory ny vaovao tsara momba ny tenin\u2019i Jehovah niaraka tamin\u2019ny olona maro hafa.",
        "36": "Rehefa afaka andro vitsivitsy, dia hoy i Paoly tamin\u2019i Barnabasy: \u201cAndao amin\u2019izay isika hiverina hitsidika an\u2019ireo rahalahy any amin\u2019ny tan\u00e0na tsirairay nitoriantsika ny tenin\u2019i Jehovah, mba hahitantsika hoe manao ahoana ry zareo izay.\u201d",
        "37": "Tapa-kevitra ny hitondra an\u2019i Jaona, ilay antsoina hoe Marka, i Barnabasy.",
        "38": "Tsy nazoto hitondra an\u2019i Marka niaraka tamin\u2019izy ireo anefa i Paoly, satria nandao azy roa lahy tany Pamfylia izy, ka tsy nandeha niaraka tamin\u2019izy ireo nanao an\u2019ilay asa.",
        "39": "Koa nifamaly\u00a0be izy roa lahy sady samy tezitra, dia nisaraka. Nentin\u2019i Barnabasy i Marka, ary nandeha sambo nankany Sipra izy ireo.",
        "40": "I Paoly kosa nifidy an\u2019i Silasy dia lasa, rehefa avy nangataka tamin\u2019i Jehovah ireo rahalahy mba haneho hatsaram-panahy miavaka tamin\u2019i Paoly.",
        "41": "Dia namakivaky an\u2019i Syria sy Kilikia izy, ka nanatanjaka an\u2019ireo fiangonana tany."
    },
    "16": {
        "1": "Dia tonga tany Derbe i Paoly, ary avy eo izy nankany Lystra. Nisy mpianatra atao hoe Timoty tao. Zanaka vehivavy jiosy mpino izy io, fa Grika kosa ny rainy.",
        "2": "Tsara laza teo amin\u2019ireo rahalahy tany Lystra sy Ikonioma izy.",
        "3": "Te hitondra an\u2019i Timoty hiaraka taminy i Paoly, ka nalainy izy ary noforany noho ireo Jiosy tany amin\u2019ireo toerana ireo. Fantatr\u2019izy rehetra mantsy fa Grika ny rainy.",
        "4": "Dia nandeha nitety tan\u00e0na izy ireo, ka nampita an\u2019ireo didy navoakan\u2019ny apostoly sy ny anti-panahy tany Jerosalema mba hankatoavin\u2019ireo rahalahy.",
        "5": "Dia nihanatanjaka ny finoan\u2019ireo fiangonana ary nihabetsaka isan\u2019andro izy ireo.",
        "6": "Nandeha nitety an\u2019i Frijia sy ny faritr\u2019i Galatia koa izy ireo, satria tsy navelan\u2019ny fanahy masina hitory ny teny tany amin\u2019ny faritanin\u2019i Azia.",
        "7": "Rehefa nidina tany Mysia izy ireo, dia niezaka hankany Bitynia, saingy tsy navelan\u2019ny fanahin\u2019i Jesosy.",
        "8": "Dia nolalovany fotsiny i Mysia, ka nidina nankany Troasy izy ireo.",
        "9": "Ary nahita fahitana i Paoly tamin\u2019ny alina. Nahita lehilahy makedonianina nijoro teo anoloany izy, ary niangavy azy izy io hoe: \u201cMiampit\u00e0 mankat\u1ef3 Makedonia dia ampio izahay.\u201d",
        "10": "Vao avy nahita an\u2019ilay fahitana i Paoly, dia niezaka nankany Makedonia izahay. Nino mantsy izahay hoe Andriamanitra no niantso anay hitory ny vaovao tsara tamin\u2019izy ireo.",
        "11": "Nandeha sambo avy tao Troasy \u00e0ry izahay ka nanitsy nankany Samotrakia, ary nankany Neapolia kosa ny ampitso.",
        "12": "Avy tao izahay dia nankany Filipy, izay zanatany sady tan\u00e0na lehibe tany amin\u2019ny faritr\u2019i Makedonia. Nijanona andro vitsivitsy tao amin\u2019io tan\u00e0na io izahay.",
        "13": "Nivoaka nankany ivelan\u2019ny vavahady izahay tamin\u2019ny andro sabata, ary nankeo amoron\u2019ny renirano iray. Nieritreritra mantsy izahay fa nisy toerana fivavahana teo. Dia nipetraka izahay ka nitory tamin\u2019ny vehivavy nivory teo.",
        "14": "Ary nihaino anay ny vehivavy atao hoe Lydia, mpivarotra lamba volomparasy. Avy ao amin\u2019ny tan\u00e0nan\u2019i Tyatira izy sady mpivavaka amin\u2019Andriamanitra. Dia nanokatra tanteraka ny fony i Jehovah mba hanekeny ny teny nolazain\u2019i Paoly.",
        "15": "Rehefa vita batisa izy sy ny ankohonany, dia niangavy izy hoe: \u201cRaha hitanareo hoe mendri-pitokisana eo anatrehan\u2019i Jehovah aho, dia andao hivahiny any an-tranoko.\u201d Ary tsy namelany izahay raha tsy nankany.",
        "16": "Nankany amin\u2019ilay toerana fivavahana izahay, indray andro, dia nifanena tamin\u2019ny mpanompovavy anankiray nisy fanahy ratsy, izany hoe nisy demonia mpilaza ny hoavy. Nampanan-karena an\u2019ireo tompony io mpanompovavy io noho izy nahay nilaza ny hoavy.",
        "17": "Nanaraka anay sy Paoly foana io ankizivavy io sady niantsoantso hoe: \u201cMpanompon\u2019ilay Andriamanitra Avo Indrindra ireo lehilahy ireo, ary manambara aminareo izay tokony hatao mba ho voavonjy.\u201d",
        "18": "Izany foana no nataony nandritra ny andro maro. Leo\u00a0be i Paoly tamin\u2019ny farany, ka nitodika tany aminy sady niteny tamin\u2019ilay fanahy hoe: \u201cMandidy anao amin\u2019ny anaran\u2019i Jesosy Kristy aho hivoaka aminy.\u201d Tonga\u00a0dia nivoaka tamin\u2019izay ora izay ilay fanahy.",
        "19": "Rehefa hitan\u2019ny tompony fa vita hatreo ny fanantenany hahazo harena\u00a0be, dia nosamborin\u2019izy ireo i Paoly sy Silasy, ary notaritaritiny teny an-tsena ho any amin\u2019ny manam-pahefana.",
        "20": "Dia nentin\u2019izy ireo tany amin\u2019ny tompon\u2019andraiki-panjakana izy roa lahy, ary hoy izy ireo: \u201cTena manakorontana ny tan\u00e0nantsika mihitsy ireto lehilahy ireto. Jiosy ry\u00a0zareo,",
        "21": "dia mampianatra fanao tsy azontsika raisina na arahina, satria isika Romanina.\u201d",
        "22": "Dia niara-nanohitra azy roa lahy ny vahoaka. Ary nendahan\u2019ireo tompon\u2019andraiki-panjakana ny akanjo nanaovan\u2019izy roa lahy, ka nasainy nokapohina tamin\u2019ny hazo izy ireo.",
        "23": "Dia nogadrainy izy roa lahy rehefa avy nokapohiny imbetsaka. Ary nomeny baiko ny mpiambina mba hiambina tsara azy ireo.",
        "24": "Koa satria nahazo an\u2019izany baiko izany ilay mpiambina, dia nataony tany amin\u2019ny fonja anatiny izy roa lahy, ary nogejainy tamin\u2019ny gadra hazo ny tongotr\u2019izy ireo.",
        "25": "Nivavaka sy nihira fiderana ho an\u2019Andriamanitra anefa i Paoly sy Silasy tamin\u2019ny misasakalina tany ho any, ary nihaino azy ireo ny voafonja hafa.",
        "26": "Tampoka teo, dia nihovotrovotra be ny tany ka nihozongozona ny fototr\u2019ilay fonja. Ary tonga\u00a0dia nivoha daholo ny varavarana, ary nivaha ny fatoran\u2019ny voafonja rehetra.",
        "27": "Taitra tamin\u2019ny torimasony ilay mpiambina, ka nahita fa nisokatra ny varavaran\u2019ny fonja. Dia nalainy ny sabany ka saika hamono tena izy, satria noheveriny fa nandositra ireo voafonja.",
        "28": "Niantsoantso mafy anefa i Paoly hoe: \u201cAza mamono tena, fa ato daholo izahay!\u201d",
        "29": "Koa nampaka jiro ilay lehilahy dia nikoropaka niditra. Ary tora-kovitra izy sady niankohoka teo anatrehan\u2019i Paoly sy Silasy.",
        "30": "Dia nentiny nivoaka izy roa lahy, sady nanontaniany hoe: \u201cInona, tompoko, no tsy maintsy ataoko mba ho voavonjy aho?\u201d",
        "31": "Hoy izy ireo: \u201cMinoa an\u2019i Jesosy Tompo, dia ho voavonjy ianao sy ny ankohonanao.\u201d",
        "32": "Dia nitory ny tenin\u2019i Jehovah taminy sy tamin\u2019izay rehetra tao an-tranony izy roa lahy.",
        "33": "Iny alina iny ihany dia nentin\u2019ilay lehilahy izy ireo, ary nosasany ny ratrany. Dia natao batisa tsy nisy hataka andro izy sy ny ankohonany manontolo.",
        "34": "Ary nentiny tao an-tranony izy roa lahy, ka norosoany sakafo teo ambony latabatra. Ary faly\u00a0be izy sy ny ankohonany manontolo, satria lasa nino an\u2019Andriamanitra.",
        "35": "Rehefa maraina ny andro, dia nirahin\u2019ny tompon\u2019andraiki-panjakana ireo mpiambina azy mba hilaza hoe: \u201cAfaho izy roa lahy.\u201d",
        "36": "Dia nolazain\u2019ilay mpiambina fonja tamin\u2019i Paoly ny tenin\u2019izy ireo hoe: \u201cNaniraka olona ny tompon\u2019andraiki-panjakana mba hilaza hoe afahana, hono, ianareo roa lahy. Koa mahazo mivoaka ianareo izao, dia mandehana soa aman-tsara!\u201d",
        "37": "Fa hoy kosa i Paoly tamin\u2019izy ireo: \u201cRomanina izahay, nefa nokapohin-dry\u00a0zareo teny imason\u2019olona na dia mbola tsy voaheloka aza ary nogadrainy. Dia izao ve izahay tadiaviny havoaka an-tsokosoko? Tsy manaiky an\u2019izany izahay! Aleo ry\u00a0zareo mihitsy no ho avy eto hamoaka anay.\u201d",
        "38": "Dia nilaza an\u2019izany tamin\u2019ny tompon\u2019andraiki-panjakana ireo mpiambina azy. Koa natahotra izy ireo rehefa nandre hoe Romanina izy roa lahy.",
        "39": "Dia tonga izy ireo ka niangavingavy azy roa lahy mba handeha. Ary rehefa avy namoaka azy roa lahy avy tao am-ponja izy ireo, dia nangataka azy ireo hiala tao amin\u2019ilay tan\u00e0na.",
        "40": "Nankany an-tranon\u2019i Lydia anefa izy roa lahy rehefa nivoaka ny fonja. Ary rehefa nahita an\u2019ireo rahalahy izy ireo, dia nankahery azy ary lasa."
    },
    "17": {
        "1": "Nandeha namakivaky an\u2019i Amfipolia sy Apolonia izy ireo ka tonga tany Tesalonika. Nisy synagogan\u2019ny Jiosy tany.",
        "2": "Dia niditra tao hoatran\u2019ny fanaony i Paoly mba hitory tamin\u2019izy ireo. Ary nandritra ny sabata telo izy no niezaka nandresy lahatra azy ireo, ka nampiasa ny Soratra Masina rehefa nanao an\u2019izany.",
        "3": "Izay voasoratra tao no nampiasainy hanazavana sy hanaporofoana fa tsy maintsy nijaly sy nitsangana tamin\u2019ny maty i Kristy. Ary hoy izy: \u201cIlay Jesosy izay toriko aminareo no Kristy.\u201d",
        "4": "Lasa mpino \u00e0ry ny sasany tamin\u2019izy ireo, ka niaraka tamin\u2019i Paoly sy Silasy. Maro be koa ny Grika mpivavaka amin\u2019Andriamanitra sy ny vehivavy nanan-kaja lasa mpino.",
        "5": "Nialona azy ireo anefa ny Jiosy, ka namory olona ratsy fanahy mpirenireny teny an-tsena, ary nanangona vahoaka sy nampisahotaka ny tan\u00e0na. Dia niditra an-keriny tao an-tranon\u2019i Jasona izy ireo, ary nitady an\u2019i Paoly sy Silasy mba hamoaka azy ireo ho eo amin\u2019ny vahoaka.",
        "6": "Rehefa tsy nahita azy roa lahy tao izy ireo, dia nitaritarika an\u2019i Jasona sy ny rahalahy sasany ho any amin\u2019ny lehiben\u2019ny tan\u00e0na. Dia niantsoantso izy ireo hoe: \u201cTonga eto koa izao ireny lehilahy manakorontana ny tany ireny,",
        "7": "ary nampiantrano azy i Jasona. Manohitra ny didin\u2019i Kaisara izy rehetra ireo, ka milaza fa misy an\u2019izany mpanjaka hafa atao hoe Jesosy izany, hono.\u201d",
        "8": "Rehefa naheno an\u2019izany ny vahoaka sy ny lehiben\u2019ny tan\u00e0na dia nitebiteby.",
        "9": "Ary nakan\u2019izy ireo antoka aloha i Jasona sy ireo namany vao navelany handeha.",
        "10": "Vao alina ny andro, dia nalefan\u2019ireo rahalahy ho any Beria i Paoly sy Silasy. Ary vao tonga tany izy roa lahy, dia niditra tao amin\u2019ny synagogan\u2019ny Jiosy.",
        "11": "Nanana toe-tsaina tsara kokoa noho ny Jiosy tany Tesalonika ny Jiosy tany Beria. Tena nazoto nandray ny teny mantsy izy ireo, ka nandinika tsara ny Soratra Masina isan\u2019andro mba hahitana raha marina izay noresahina taminy na tsia.",
        "12": "Maro tamin\u2019izy ireo \u00e0ry no lasa mpino, ary hoatr\u2019izany koa ny vehivavy grika nanan-kaja maromaro sy ny lehilahy sasantsasany.",
        "13": "Rehefa fantatry ny Jiosy avy any Tesalonika anefa fa nitory ny tenin\u2019Andriamanitra tany Beria koa i Paoly, dia tonga tany izy ireo mba hampirisika ny vahoaka hikorontana.",
        "14": "Avy hatrany \u00e0ry dia nasain\u2019ireo rahalahy nandeha nankany amoron-dranomasina i Paoly, fa i Silasy sy Timoty kosa nijanona tao ihany.",
        "15": "Nanatitra an\u2019i Paoly hatrany Atena anefa ireo rahalahy. Lasa izy ireo rehefa avy nanafatra azy ireo i Paoly hoe tokony hankany aminy haingana araka izay azo atao i Silasy sy Timoty.",
        "16": "Dia niandry azy roa lahy tany Atena i Paoly. Ary sorena izy rehefa nahita hoe feno sampy tao amin\u2019ilay tan\u00e0na.",
        "17": "Koa niezaka nandresy lahatra ny Jiosy sy ny olon-kafa nivavaka tamin\u2019Andriamanitra izy, tany amin\u2019ny synagoga. Ary nanao toy izany tamin\u2019izay sendra hitany teny an-tsena isan\u2019andro koa izy.",
        "18": "Nisy filozofa epikoreanina sy st\u00f4ika anefa niady hevitra taminy. Ary hoy ny sasany: \u201cMba inona, hono, no tian\u2019io be\u00a0resaka io holazaina?\u201d Ny hafa indray niteny hoe: \u201cToa mpitory momba ny andriamanitra vaovao, hono, izy io.\u201d Nitory ny vaovao tsara momba an\u2019i Jesosy sy ny fitsanganana amin\u2019ny maty mantsy izy.",
        "19": "Koa nosamborin\u2019izy ireo izy ary nentiny teny amin\u2019ny Areopago. Dia hoy izy ireo: \u201cMba azonay fantarina misimisy kokoa ve izany fampianarana vaovao resahinao izany?",
        "20": "Vaovao amin\u2019ny sofinay mantsy izany lazainao izany, ka tianay ho fantatra ny dikany.\u201d",
        "21": "Tsy nanao afa-tsy ny niresaka sy nihaino zava-baovao mantsy ny Atenianina sy ny vahiny rehetra nijanona tao, rehefa tsy nisy hatao.",
        "22": "Dia nitsangana teo afovoan\u2019ny Areopago i Paoly ka niteny hoe: \u201cRy Atenianina, hitako fa matahotra kokoa an\u2019ireo andriamanitra ianareo amin\u2019ny zava-drehetra, raha oharina amin\u2019ny olon-kafa.",
        "23": "Rehefa nandehandeha teny aho, ohatra, ka nandinika tsara ny zavatra ivavahanareo, dia nahita alitara anankiray misy soratra hoe: \u2018Ho An\u2019Andriamanitra Tsy Fantatra.\u2019 Koa izay tsy fantatrareo nefa ivavahanareo no toriko aminareo.",
        "24": "Ilay Andriamanitra nanao an\u2019izao tontolo izao sy ny zava-drehetra ao aminy, dia tsy mba mipetraka ao amin\u2019ny tempoly nataon-tanana, satria izy no Tompon\u2019ny lanitra sy ny tany.",
        "25": "Tsy mila karakarain\u2019ny tanan\u2019olona izy, toy ny hoe mila zavatra, satria izy no manome ho an\u2019ny olon-drehetra ny aina sy ny fofonaina ary ny zava-drehetra.",
        "26": "Ary avy tamin\u2019ny olona anankiray no nanaovany ny firenena rehetra mba honina manerana ny tany. Ary nisy fotoana efa voatondrony sady nisy faritra efa nofaritany hipetrahan\u2019ny olona,",
        "27": "mba hitady azy izy ireo, ka tena hahita azy tokoa raha mitsapatsapa mitady azy. Raha ny marina anefa, dia tsy lavitra antsika tsirairay izy.",
        "28": "Fa matoa isika velona sy mihetsika ary misy, dia noho izy. Ary na ny poety sasany eo aminareo aza milaza hoe: \u2018Fa zanany koa isika.\u2019",
        "29": "\u201cKoa satria zanak\u2019Andriamanitra isika, dia tsy tokony hieritreritra an\u2019Andriamanitra ho toy ny zavatra vita amin\u2019ny volamena na volafotsy na vato, na hoatran\u2019ny sary sokitra noforonin\u2019ny olombelona sy niangaliany.",
        "30": "Marina fa ninia tsy nijery an\u2019ireny andro tsy nahalalana azy ireny Andriamanitra. Izao anefa izy milaza amin\u2019ny olombelona rehetra, na aiza na aiza, fa tokony hibebaka izy ireo.",
        "31": "Izy mantsy efa namaritra andro iray izay kasainy hitsarana ara-drariny ny tany, amin\u2019ny alalan\u2019ny lehilahy iray voatendriny. Ary efa nanome antoka ho an\u2019ny olona rehetra izy fa hitranga izany, rehefa nanangana azy io tamin\u2019ny maty.\u201d",
        "32": "Rehefa naheno momba ny fitsanganana amin\u2019ny maty izy ireo dia naneso, fa ny sasany kosa nilaza hoe: \u201cMbola hihaino anao izahay amin\u2019ny manaraka, rehefa miresaka momba an\u2019izany ianao.\u201d",
        "33": "Koa niala teo amin\u2019izy ireo i Paoly.",
        "34": "Nisy sasany nanaraka azy ihany anefa ka lasa mpino. Anisan\u2019izany i Dionysio, mpitsara tao amin\u2019ny fitsarana teo amin\u2019ny Areopago, ary ny vehivavy iray atao hoe Damary, sy ny olon-kafa."
    },
    "18": {
        "1": "Niala tao Atena i Paoly taorian\u2019izay, ka tonga tany Korinto.",
        "2": "Nahita Jiosy atao hoe Akoila izy tao. Teraka tany Ponto i Akoila, ary vao tonga avy any Italia izy sy Prisila vadiny. Namoaka didy mantsy i Klaodio hoe tsy maintsy miala any Roma ny Jiosy rehetra. Nankany amin\u2019izy mivady \u00e0ry i Paoly.",
        "3": "Nipetraka tao amin\u2019izy mivady izy ary niara-niasa tamin\u2019izy ireo, satria nitovy ny asany. Mpanao tranolay mantsy no asa fiveloman\u2019izy ireo.",
        "4": "Ary nandaha-teny tao amin\u2019ny synagoga i Paoly isaky ny sabata sady nandresy lahatra ny Jiosy sy ny Grika.",
        "5": "Rehefa nidina avy tany Makedonia i Silasy sy Timoty, dia nifantoka tanteraka tamin\u2019ny fitoriana ny tenin\u2019Andriamanitra i Paoly, ka nitory tamin\u2019ny Jiosy mba hanaporofoana fa i Jesosy no Kristy.",
        "6": "Nanohitra azy foana anefa ny Jiosy sady nanevateva azy, ka nakopak\u2019i Paoly ny akanjony, ary hoy izy: \u201cIanareo ihany no ho tompon\u2019andraikitra amin\u2019ny fahafatesanareo. Afaka adidy aho. Hankany amin\u2019ny olona hafa firenena aho manomboka izao.\u201d",
        "7": "Niala tao \u00e0ry izy, dia nankao an-tranon\u2019ny lehilahy atao hoe Titosy Josto, izay mpivavaka amin\u2019Andriamanitra. Nifanila tamin\u2019ilay synagoga ny tranon\u2019izy io.",
        "8": "Lasa nino ny Tompo anefa i Krispo, mpitantana an\u2019ilay synagoga, sy ny ankohonany manontolo. Ary lasa mpino ny ankamaroan\u2019ny Korintianina naheno ny vaovao tsara, ka natao batisa.",
        "9": "Indray alina, dia niteny tamin\u2019i Paoly tao amin\u2019ny fahitana koa ny Tompo hoe: \u201cAza matahotra, fa mitoria foana ary aza mangina,",
        "10": "fa miaraka aminao aho ka tsy hisy hanafika anao mba hanisy ratsy anao. Manana olona be dia be ato amin\u2019ity tan\u00e0na ity mantsy aho.\u201d",
        "11": "Nijanona tao herintaona sy tapany \u00e0ry izy, ka nampianatra azy ireo ny tenin\u2019Andriamanitra.",
        "12": "Tamin\u2019ny fotoana naha governoram-paritr\u2019i Akaia an\u2019i Galio, dia niray tetika hanohitra an\u2019i Paoly ny Jiosy. Nentin\u2019izy ireo teo amin\u2019ny toeram-pitsarana izy,",
        "13": "dia hoy izy ireo: \u201cMitaona ny vahoaka hivavaka amin\u2019Andriamanitra amin\u2019ny fomba tsy araka ny lal\u00e0na ity lehilahy ity.\u201d",
        "14": "Vao saika hiteny anefa i Paoly, dia hoy i Galio tamin\u2019ny Jiosy: \u201cRaha nanao ratsy na nahavita heloka bevava io lehilahy io, dia ho naharitra nihaino anareo ihany aho, ry\u00a0Jiosy.",
        "15": "Fa raha adihevitra momba ny teny sy anarana ary ny lal\u00e0nareo, dia alamino any ny anareo. Tsy te hitsara an\u2019izany aho.\u201d",
        "16": "Dia noroahiny niala teo amin\u2019ny toeram-pitsarana izy ireo.",
        "17": "Koa nosamborin\u2019izy rehetra i Sostena, mpitantana ny synagoga, dia nokapohiny teo anoloan\u2019ny toeram-pitsarana. Tsy niditra tamin\u2019izany mihitsy anefa i Galio.",
        "18": "Mbola nijanona tao andro vitsivitsy i Paoly. Nanao veloma an\u2019ireo rahalahy izy avy eo, ary nandeha sambo nankany Syria, niaraka tamin\u2019i Prisila sy Akoila. Nasain\u2019i Paoly nohetezana fohy ny volony tany Kenkrea, satria nisy voady nataony.",
        "19": "Rehefa tonga tao Efesosy izy ireo, dia navelan\u2019i Paoly tao amin\u2019ilay tan\u00e0na izy mivady. Niditra tao amin\u2019ny synagoga izy, ary niezaka nandresy lahatra an\u2019ireo Jiosy.",
        "20": "Nangataka azy mba hijanona elaela kokoa izy ireo, nefa tsy nety izy.",
        "21": "Nanao veloma azy ireo kosa izy, ka niteny hoe: \u201cMbola hiverina at\u1ef3 aminareo indray aho, raha sitrapon\u2019i Jehovah.\u201d Ary nandeha sambo avy tao Efesosy izy,",
        "22": "dia nidina nankany Kaisaria. Dia niakatra sy niarahaba ny fiangonana izy, ary avy eo nidina nankany Antiokia.",
        "23": "Nijanona kelikely tao izy vao lasa nitety ny faritr\u2019i Galatia sy Frijia. Ary nampahery ny mpianatra rehetra izy.",
        "24": "Nisy Jiosy atao hoe Apolosy tonga tao Efesosy. Teraka tany Aleksandria izy, ary lehilahy nahay nandaha-teny sady tena nahay Soratra Masina.",
        "25": "Nampianarina ny lalan\u2019i Jehovah izy, ary narehitry ny fanahy ka marina ny zavatra notoriny sy nampianariny momba an\u2019i Jesosy. Ny batisan\u2019i Jaona ihany anefa no fantany.",
        "26": "Nanomboka sahy nitory tao amin\u2019ny synagoga izy, ka rehefa naheno azy i Prisila sy Akoila, dia nitondra azy niaraka taminy. Ary nohazavain\u2019izy mivady marina kokoa taminy ny lalan\u2019Andriamanitra.",
        "27": "Te ho any Akaia i Apolosy, ka nanoratra ho an\u2019ny mpianatra tany ireo rahalahy mba hampirisika azy ireo handray tsara azy. Koa rehefa tonga tany izy, dia nanampy be an\u2019ireo olona izay lasa mpino noho ny hatsaram-panahy miavaka nasehon\u2019Andriamanitra.",
        "28": "Nafana fo be mantsy izy nanaporofo mazava teny imason\u2019olona hoe diso ny Jiosy, ka nasehony avy tao amin\u2019ny Soratra Masina fa i Jesosy no Kristy."
    },
    "19": {
        "1": "Tamin\u2019i Apolosy mbola tany Korinto, dia nitety ny afovoan-tany i Paoly ary nidina tany Efesosy. Nahita mpianatra vitsivitsy tao izy,",
        "2": "ka hoy izy: \u201cNahazo fanahy masina ve ianareo rehefa lasa mpino?\u201d Dia namaly izy ireo hoe: \u201cIzahay aza mbola tsy naheno mihitsy hoe misy an\u2019izany fanahy masina izany.\u201d",
        "3": "Hoy \u00e0ry izy: \u201cFa inona no batisa nanaovana batisa anareo?\u201d Dia namaly izy ireo hoe: \u201cNy batisan\u2019i Jaona.\u201d",
        "4": "Ary hoy i Paoly: \u201cNanao batisa i Jaona mba hampisehoan\u2019ny olona fa efa nibebaka izy ireo. Nilaza tamin\u2019ny olona izy mba hino an\u2019ilay ho tonga ao aorianany, dia i Jesosy.\u201d",
        "5": "Rehefa naheno an\u2019izany izy ireo, dia natao batisa tamin\u2019ny anaran\u2019i Jesosy Tompo.",
        "6": "Dia nilatsaka tamin\u2019izy ireo ny fanahy masina rehefa nametra-tanana taminy i Paoly. Koa niteny tamin\u2019ny fiteny samihafa izy ireo sady naminany.",
        "7": "Nisy 12\u00a0lahy teo ho eo izy ireo tamin\u2019ny fitambarany.",
        "8": "Dia niditra tao amin\u2019ny synagoga i Paoly ary sahy nitory tao nandritra ny telo volana. Nandaha-teny sy nandresy lahatra ny olona momba ny Fanjakan\u2019Andriamanitra izy.",
        "9": "Tsy nety nino azy mihitsy anefa ny sasany, fa nanaratsy Ny Lalana teo anatrehan\u2019ny vahoaka. Niala teo amin\u2019izy ireo \u00e0ry izy, dia nentiny ny mpianatra, ary nandaha-teny isan\u2019andro tao amin\u2019ny efitrano malalaky ny sekolin\u2019i Tyrano izy.",
        "10": "Naharitra roa taona izany, ka nandre ny tenin\u2019ny Tompo daholo izay nipetraka tany amin\u2019ny faritanin\u2019i Azia, na Jiosy na Grika.",
        "11": "Ary mbola nanao fahagagana miavaka tamin\u2019ny alalan\u2019i Paoly foana Andriamanitra.",
        "12": "Koa na ny lamba sy ny aron\u2019akanjo nikasika tamin\u2019ny vatany aza no nentina tany amin\u2019ny marary, dia sitrana ny aretina ary nivoaka ny fanahy ratsy.",
        "13": "Nisy Jiosy nandehandeha namoaka demonia anefa mba niezaka niantso ny anaran\u2019i Jesosy Tompo koa, rehefa nahita olona nisy fanahy ratsy. Hoy izy ireo: \u201cMandidy mafy anareo amin\u2019ny alalan\u2019i Jesosy, ilay torin\u2019i Paoly, aho mba hivoaka!\u201d",
        "14": "Nisy fito mirahalahy, zanaky ny lehiben\u2019ny mpisorona jiosy atao hoe Skeva, nanao hoatr\u2019izany.",
        "15": "Namaly azy ireo anefa ny fanahy ratsy hoe: \u201cFantatro i Jesosy, ary fantatro koa i Paoly, fa mba iza kosa ianareo?\u201d",
        "16": "Dia niantoraka teny amin\u2019izy ireo ilay lehilahy nisy fanahy ratsy ka niady tamin\u2019izy ireo, dia naharesy azy ireo tsirairay. Koa lasa nandositra niala tao amin\u2019izany trano izany izy ireo, sady nitanjaka no naratra.",
        "17": "Lasa fantatry ny olona rehetra nipetraka tao Efesosy izany, na Jiosy na Grika. Dia natahotra daholo ny rehetra ka vao mainka nomem-boninahitra ny anaran\u2019i Jesosy Tompo.",
        "18": "Ary maro tamin\u2019ireo lasa mpino no tonga ka niaiky ampahibemaso an\u2019izay nataony sy nitantara an\u2019izany tamim-pahatsorana.",
        "19": "Betsaka tamin\u2019ireo zatra nampiasa herin\u2019ny maizina koa no nanangona ny bokiny, dia nandoro an\u2019izany teo anatrehan\u2019ny rehetra. Ary nataon\u2019izy ireo kajikajy ny mety ho vidiny, ka hitany fa nitentina 50 000 izany.",
        "20": "Noho ny herin\u2019i Jehovah \u00e0ry, dia mbola niely be foana ny teniny sady vao mainka nisy heriny be tamin\u2019ny olona.",
        "21": "Taorian\u2019ny nitrangan\u2019izany rehetra izany, dia tapa-kevitra ny ho any Jerosalema i Paoly, rehefa avy namakivaky an\u2019i Makedonia sy Akaia. Hoy izy: \u201cTsy maintsy mankany Roma koa aho rehefa avy any Jerosalema.\u201d",
        "22": "Koa nirahiny ho any Makedonia ny roa tamin\u2019ireo nikarakara azy, dia i Timoty sy Erasto. Izy kosa mbola nijanona kelikely tany amin\u2019ny faritanin\u2019i Azia.",
        "23": "Nisy korontana be momba Ny Lalana, tamin\u2019izay fotoana izay.",
        "24": "Nanamboatra tempoly kelin\u2019i Artemisy tamin\u2019ny volafotsy mantsy ny lehilahy atao hoe Demetrio, izay mpanefy volafotsy, ka nahatonga ny mpanao asa tanana hahazo vola be.",
        "25": "Dia novorin\u2019i Demetrio izy ireo sy ny mpanao asa tanana hafa, ka hoy izy: \u201cFantatrareo tsara fa ity asa ity no mampanan-karena antsika.",
        "26": "Hitanareo sy henonareo anefa izao fa tsy teto Efesosy ihany, fa saika eran\u2019ny faritanin\u2019i Azia mihitsy ilay Paoly iny no nandresy lahatra vahoaka maro sy nampiova hevitra azy ireo. Tsy tena andriamanitra, hono, ny andriamanitra nataon-tanana.",
        "27": "Koa tsy ity asantsika ity ihany no atahorana ho ratsy laza, fa hoheverin\u2019ny olona ho tsy misy dikany koa ny tempolin\u2019i Artemisy andriamanibavy lehibe. Dia ho very hasina ilay andriamanibavy, izay ivavahana eran\u2019ny faritanin\u2019i Azia sy ny tany misy mponina.\u201d",
        "28": "Tezitra be ny olona rehefa naheno an\u2019izany ka niantsoantso hoe: \u201cLehibe i Artemisin\u2019ny Efesianina!\u201d",
        "29": "Koa nisahotaka ny iray tan\u00e0na, ary indray nirohotra niditra tao an-kianja filalaovana tantara an-tsehatra izy rehetra. Dia notaritaritiny ho any koa i Gaio sy Aristarko, Makedonianina roa lahy niara-dia tamin\u2019i Paoly.",
        "30": "Te hiditra tao amin\u2019ilay kianja i Paoly mba hiresaka amin\u2019ilay vahoaka, fa tsy navelan\u2019ny mpianatra.",
        "31": "Na ny sasany tamin\u2019ireo mpikarakara fety sy lalao, izay tsara fanahy tamin\u2019i Paoly, aza dia nandefa hafatra ho any aminy ka niangavy azy mba tsy hiditra ao amin\u2019ilay kianja sao hahita loza.",
        "32": "Niantsoantso mantsy ny olona tao, ka hafa no nolazain\u2019ny sasany, ary hafa no nolazain\u2019ny sasany. Fa nisahotaka ny vahoaka tafavory tao, ary tsy fantatry ny ankamaroany akory izay antony nahatongavany teo.",
        "33": "Dia natositosiky ny Jiosy ho any aloha i Aleksandra, ka nentin\u2019ny olona niala teo amin\u2019ny vahoaka. Ary nanao fihetsika tamin\u2019ny tanany i Aleksandra mba hampanginana ny vahoaka, satria te hilaza ny fiarovan-tenany.",
        "34": "Vao fantatry ny olona anefa fa Jiosy izy, dia niara-niantsoantso mafy izy rehetra nandritra ny adiny roa teo ho eo hoe: \u201cLehibe i Artemisin\u2019ny Efesianina!\u201d",
        "35": "Nahavita nampangina ny vahoaka ihany ny ben\u2019ny tan\u00e0na tamin\u2019ny farany, ka hoy izy: \u201cRy\u00a0Efesianina, iza tokoa moa no tsy mahalala hoe ny tan\u00e0nan\u2019ny Efesianina no mpiambina ny tempolin\u2019i Artemisy lehibe sy ilay sary latsaka avy any an-danitra?",
        "36": "Koa satria tsy azo iadian-kevitra izany, dia tokony ho tony ianareo ka tsy ho maimaika hanao zavatra.",
        "37": "Fa ireo lehilahy nentinareo eto ireo, dia sady tsy mpandroba tempoly no tsy mpanevateva ny andriamanibavintsika.",
        "38": "Raha te hitory olona \u00e0ry i Demetrio sy ny mpanao asa tanana namany, dia eo ny andro fitsarana ary eo koa ny governoram-paritra. Dia any ry\u00a0zareo no tokony hifampitory.",
        "39": "Raha mitady zavatra hafa ankoatra izany kosa ianareo, dia amin\u2019ny fivoriana mahazatra no tsy maintsy handraisana fanapahan-kevitra ny amin\u2019izany.",
        "40": "Fa raha izay niseho androany izay dia tena mety hampangaina ho mampirisika olona hikomy amin\u2019ny fanjakana isika. Tsy misy antony marim-pototra azontsika omena mantsy mba hanazavana hoe inona no nahatonga an\u2019izao savorovoro izao.\u201d",
        "41": "Rehefa avy nilaza an\u2019izany izy, dia noravany ny vahoaka."
    },
    "20": {
        "1": "Rehefa nitsahatra ilay savorovoro, dia nampaka ny mpianatra i Paoly. Nankahery azy ireo izy sady nanao veloma, ary avy eo nankany Makedonia.",
        "2": "Nitety faritra maro tany izy ka nankahery\u00a0be an\u2019ireo mpianatra. Ary tonga tany Gresy izy,",
        "3": "dia nijanona telo volana tany. Nisy Jiosy nitetika ny hamono azy anefa rehefa haka sambo ho any Syria izy. Nanapa-kevitra \u00e0ry izy hoe hiverina hamakivaky an\u2019i Makedonia.",
        "4": "Niaraka taminy i Sopatera zanak\u2019i Pyro avy any Beria, Aristarko sy Sekondo izay samy avy any Tesalonika, Gaio avy any Derbe, Timoty, ary Tykiko sy Trofimo izay samy avy any amin\u2019ny faritanin\u2019i Azia.",
        "5": "Nandeha talohanay izy ireo, ka niandry anay tany Troasy.",
        "6": "Izahay kosa nandeha sambo avy tany Filipy, taorian\u2019ny andro fihinanana ny Mofo Tsy Misy Lalivay. Dia tonga tany amin\u2019izy ireo tany Troasy izahay rehefa afaka dimy andro, ary nijanona fito andro tany.",
        "7": "Nivory izahay mba hiara-misakafo ny andro voalohany tamin\u2019ny herinandro. Ary nandaha-teny tamin\u2019izy ireo i Paoly, satria handeha izy ny ampitson\u2019iny. Naharitra hatramin\u2019ny misasakalina ny lahateniny.",
        "8": "Ary nisy jiro maro nanazava an\u2019ilay efitra ambony rihana nivorianay.",
        "9": "Nisy tovolahy atao hoe Eotyka nipetraka teo am-baravarankely, ary resin-tory izy raha mbola nanao lahateny i Paoly. Natory be mihitsy izy, ka nianjera avy teny amin\u2019ny rihana faharoa. Rehefa narenina izy, dia hita fa maty.",
        "10": "Nidina anefa i Paoly ka niantoraka teo aminy ary namihina azy, dia niteny hoe: \u201cAza misahotaka intsony fa efa velona izy.\u201d",
        "11": "Niakatra i Paoly avy eo ary natomboka ny sakafo dia nihinana izy. Mbola niresaka elaela izy, hatramin\u2019ny maraina vao mangiran-dratsy, dia lasa nandeha.",
        "12": "Nentin\u2019ny olona \u00e0ry ilay ankizilahy efa velona, ary faly be mihitsy izy ireo.",
        "13": "Dia nandeha mialoha izahay ka naka sambo nankany Aso, fa tany izahay no nieritreritra handray an\u2019i Paoly. Nasainy nanao an\u2019izany izahay satria izy te handeha an-tongotra ho any.",
        "14": "Rehefa tratrany tao Aso \u00e0ry izahay, dia nasainay nankao anaty sambo izy ary nankany Mitylena izahay.",
        "15": "Niainga avy tao indray izahay ny ampitso, ka tonga teny ampitan\u2019i Kio. Nijanona vetivety tao Samo izahay ny ampitson\u2019iny, ary tonga tao Mileto ny andro nanaraka.",
        "16": "Efa nanapa-kevitra i Paoly fa holalovana fotsiny i Efesosy, mba tsy ho lany fotoana any amin\u2019ny faritanin\u2019i Azia izy. Maika ho tonga any Jerosalema amin\u2019ny Fetin\u2019ny Pentekosta mantsy izy, raha tratrany ihany.",
        "17": "Na izany aza, dia nampitondra hafatra ho an\u2019ny anti-panahin\u2019ny fiangonana tany Efesosy izy tamin\u2019izy tao Mileto, ka nilaza tamin\u2019izy ireo mba ho tonga any aminy.",
        "18": "Rehefa tonga teo aminy izy ireo, dia hoy izy: \u201cFantatrareo tsara hoe hoatran\u2019ny ahoana no nataoko tamin\u2019izaho niaraka taminareo, nanomboka tamin\u2019ilay andro voalohany nanitsahako ny faritanin\u2019i Azia.",
        "19": "Nanompo ny Tompo aho ka nanetry tena tanteraka rehefa nanao an\u2019izany, sady latsa-dranomaso sy niharam-pitsapana be dia be noho ny teti-dratsy nataon\u2019ny Jiosy.",
        "20": "Ary tsy nisalasala aho nilaza taminareo an\u2019izay rehetra nahasoa, sy nampianatra anareo ampahibemaso sy isan-trano.",
        "21": "Nanome fanazavana feno tamin\u2019ny Jiosy sy tamin\u2019ny Grika kosa aho hoe ilaina ny mibebaka sy miverina amin\u2019Andriamanitra ary mino an\u2019i Jesosy Tompontsika.",
        "22": "Ary efa an-dalana ho any Jerosalema aho izao, satria tsy maintsy manaraka ny fitarihan\u2019ny fanahy masina aho, na dia tsy fantatro aza izay hanjo ahy any,",
        "23": "afa-tsy izay ambaran\u2019ny fanahy masina amiko foana isan-tan\u00e0na hoe gadra sy fahoriana no miandry ahy any.",
        "24": "Tsy zava-dehibe amiko anefa ny aiko, fa ny zava-dehibe amiko dia ny hamita ny fihazakazahako sy ny fanompoana nankinin\u2019i Jesosy Tompo tamiko, dia ny hoe hitory amin\u2019ny fomba feno ny vaovao tsara momba ny hatsaram-panahy miavaka nasehon\u2019Andriamanitra.",
        "25": "\u201cAry fantatro izao fa tsy hisy hahita ahy intsony ianareo rehetra izay nitoriako an\u2019ilay Fanjakana.",
        "26": "Koa ianareo no vavolombeloko androany fa afaka amin\u2019ny ran\u2019ny olona rehetra aho,",
        "27": "satria tsy nisalasala aho nilaza taminareo ny sitrapon\u2019Andriamanitra rehetra.",
        "28": "Tandremo tsara ny tenanareo ary karakarao tsara ny ondry rehetra, satria notendren\u2019ny fanahy masina ho mpiandraikitra azy ireny ianareo. Amin\u2019izay ianareo dia ho mpiandry ny fiangonan\u2019Andriamanitra, izay novidiny tamin\u2019ny ran\u2019ny Zanany.",
        "29": "Fantatro fa rehefa lasa aho, dia hisy amboadia masiaka hiditra eo aminareo, ary tsy hiantra ny ondry ireny.",
        "30": "Ary avy ao aminareo ihany no hivoahan\u2019ny olona mampianatra zavatra diso mba hitaomana ny mpianatra hanaraka azy.",
        "31": "\u201cKoa miambena foana, ary tadidio fa tsy nitsahatra nananatra ny tsirairay taminareo tamin-dranomaso aho nandritra ny telo taona, na andro na alina.",
        "32": "Ankiniko eo am-pelatanan\u2019Andriamanitra ianareo izao, ary hiaro anareo anie ny teny, izay manome toky fa maneho hatsaram-panahy miavaka Izy! Afaka mankahery anareo mantsy izany teny izany sady manampy anareo hahazo lova miaraka amin\u2019ireo nohamasinina rehetra.",
        "33": "Tsy naniry hahazo ny volafotsy na ny volamena na ny akanjon\u2019iza na iza aho.",
        "34": "Fa fantatrareo tsara fa ireto tanako ireto no nahazoako an\u2019izay nilaiko sy nilain\u2019ireo niaraka tamiko.",
        "35": "Nasehoko anareo tamin\u2019ny zava-drehetra fa tsy maintsy miasa mafy hoatr\u2019izany ianareo mba hanampianareo an\u2019ireo mila ampiana. Ary tadidio foana ilay tenin\u2019i Jesosy Tompo hoe: \u2018Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.\u2019\u201d",
        "36": "Rehefa avy nilaza an\u2019izany izy, dia nandohalika niaraka tamin\u2019izy rehetra ary nivavaka.",
        "37": "Nitomany be izy rehetra, ary namihina an\u2019i Paoly, ka nanoroka azy tamim-pitiavana.",
        "38": "Nalahelo be mantsy izy ireo tamin\u2019ilay teniny hoe tsy hahita azy intsony izy ireo. Dia nanatitra azy hatreny amin\u2019ny sambo izy ireo."
    },
    "21": {
        "1": "Tena nalaina hisaraka izahay nefa tsy maintsy nandeha. Naka sambo izahay dia nanitsy nankany Kosy, ary ny ampitso kosa nankany Rodo. Niala tao indray izahay, dia nankany Patara.",
        "2": "Nahita sambo ho any Fenisia izahay ka niakatra tao amin\u2019izy io ary lasa.",
        "3": "Rehefa tazanay teo ankavianay ny nosy Sipra, dia nolalovanay ka nizotra nankany Syria izahay. Ary niantsona tao Tyro izahay, satria nila nampidina entana tao ilay sambo.",
        "4": "Notadiavinay ireo mpianatra ka hitanay, dia nijanona tao fito andro izahay. Ary notarihin\u2019ny fanahy izy ireo hiteny imbetsaka tamin\u2019i Paoly mba tsy hankany Jerosalema.",
        "5": "Rehefa tapitra ny fotoana nijanonanay tao, dia nanohy ny dianay izahay. Nanatitra anay hatrany ivelan\u2019ny tan\u00e0na anefa izy rehetra, niaraka tamin\u2019ny zaza amam-behivavy. Dia nandohalika teo amin\u2019ny torapasika izahay ka nivavaka,",
        "6": "ary nifanao veloma. Dia nankao anaty sambo izahay, fa izy ireo kosa niverina nody.",
        "7": "Dia nandeha sambo avy tao Tyro izahay, ka tonga tany Ptolemaisy. Ary niarahaba an\u2019ireo rahalahy izahay, dia nijanona iray andro teo amin\u2019izy ireo.",
        "8": "Niainga indray izahay ny ampitson\u2019iny ka tonga tany Kaisaria ary nankao an-tranon\u2019i Filipo mpitory ny vaovao tsara, izay anisan\u2019ireo fito lahy. Dia nijanona tao aminy izahay.",
        "9": "Nanana zanakavavy efatra tsy manambady izy ary naminany ireo.",
        "10": "Ary nijanona andro maromaro tao izahay, dia avy eo nisy mpaminany atao hoe Agabo nidina avy any Jodia.",
        "11": "Tonga teo aminay izy, dia nalainy ny fehikibon\u2019i Paoly ka namatorany ny tongotra aman-tanany. Dia hoy izy: \u201cIzao no lazain\u2019ny fanahy masina: \u2018Hoatr\u2019izao no hamatoran\u2019ny Jiosy any Jerosalema ny lehilahy tompon\u2019ity fehikibo ity, ary hatolotr\u2019izy ireo eo an-tanan\u2019ny olona hafa firenena izy.\u2019\u201d",
        "12": "Rehefa naheno an\u2019izany izahay sy ny olona teo, dia niangavy an\u2019i Paoly mba tsy hiakatra ho any Jerosalema.",
        "13": "Fa namaly izy hoe: \u201cFa maninona ianareo no mitomany sy mitady hanakivy ahy? Izaho ange vonona ny hafatotra\u00a0e, ary tsy izany ihany fa ny ho faty any Jerosalema koa, noho ny anaran\u2019i Jesosy Tompo!\u201d",
        "14": "Tsy nety niova hevitra mihitsy izy, ka tsy nanohitra ny teniny intsony izahay fa nilaza hoe: \u201cAoka ny sitrapon\u2019i Jehovah no hatao.\u201d",
        "15": "Taorian\u2019izay, dia nanomana ny dia izahay, ary niainga nankany Jerosalema.",
        "16": "Niaraka taminay koa ny mpianatra sasany avy any Kaisaria, ary nitondra anay nankany amin\u2019i Menasona avy any Sipra. Efa mpianatra hatry ny ela izy io, ary nasaina hivahiny tany aminy izahay.",
        "17": "Rehefa tonga tany Jerosalema izahay, dia faly be ireo rahalahy nandray anay.",
        "18": "Dia nankany amin\u2019i Jakoba niaraka taminay i Paoly ny ampitso, ary tao daholo ny anti-panahy rehetra.",
        "19": "Niarahaba azy ireo i Paoly, ary nitantara tamin\u2019ny an-tsipiriany ny zavatra nataon\u2019Andriamanitra teo amin\u2019ny hafa firenena, tamin\u2019izy nitory tamin\u2019izy ireny.",
        "20": "Nanome voninahitra an\u2019Andriamanitra izy ireo rehefa avy naheno an\u2019izany. Hoy anefa izy ireo tamin\u2019i Paoly: \u201cHitanao, ry rahalahy, fa an\u2019arivony ny Jiosy lasa mpino, ary mafana fo be manaraka ny Lal\u00e0na izy rehetra.",
        "21": "Naheno tsaho momba anao anefa ry\u00a0zareo hoe ianao, hono, mampianatra ny Jiosy rehetra any amin\u2019ny firenena hafa mba tsy hankat\u00f2 ny Lal\u00e0n\u2019i Mosesy, ka milaza amin\u2019izy ireo mba tsy hamora ny zanany na hanaraka ny fomba fanao hatramin\u2019izay.",
        "22": "Dia ahoana no hatao amin\u2019izany? Tsy maintsy ho henon-dry\u00a0zareo mantsy izao hoe tonga eto ianao.",
        "23": "Koa ataovy izao zavatra lazainay aminao izao: Misy efa-dahy efa nanao voady eto.",
        "24": "Ento miaraka aminao ireo lehilahy ireo, dia mandehana ianareo midio araka ny takin\u2019ny Lal\u00e0na, ary aloavy izay vola tokony haloan\u2019izy ireo mba hanasolana ny lohany. Amin\u2019izay dia ho fantatry ny rehetra fa tsy misy mitombina ny tsaho naely momba anao, fa mitondra tena tsara ianao sady manaraka ny Lal\u00e0na koa.",
        "25": "Ny amin\u2019ireo hafa firenena izay lasa mpino kosa, dia efa nandefasanay taratasy misy ny fanapahan-kevitray izy ireo hoe tokony hifady ny zavatra natao sorona ho an\u2019ny sampy, sy ny ra sy ny biby nokendaina ary ny fijangajangana.\u201d",
        "26": "Dia nentin\u2019i Paoly ireo lehilahy ireo ny ampitso, ary nidio araka ny takin\u2019ny Lal\u00e0na izy, niaraka tamin\u2019izy ireo. Ary niditra tao amin\u2019ny tempoly izy mba hampahafantatra hoe rahoviana no ho tapitra ny andro fidiovany, ary rahoviana no hatolotra ny fanatitra ho an\u2019ny tsirairay amin\u2019izy ireo.",
        "27": "Rehefa ho tapitra ireo fito andro, dia nahita an\u2019i Paoly tao amin\u2019ny tempoly ny Jiosy avy any Azia. Dia nampisahotaka ny vahoaka rehetra izy ireo, ary nisambotra an\u2019i Paoly,",
        "28": "sady niantsoantso hoe: \u201cVonjeo, ry\u00a0Israelita, fa io ilay lehilahy mampianatra ny olona rehetra hatraiza hatraiza hanohitra ny firenentsika sy ny Lal\u00e0ntsika ary ity toerana ity. Ary hatramin\u2019ny Grika avy aza nampidiriny tato amin\u2019ny tempoly, ka nandoto an\u2019ity toerana masina ity izy.\u201d",
        "29": "Efa hitan\u2019izy ireo niaraka tamin\u2019i Paoly tao an-tan\u00e0na mantsy i Trofimo Efesianina, ka noheveriny fa nampidirin\u2019i Paoly tao amin\u2019ny tempoly izy.",
        "30": "Dia nisavorovoro ny iray tan\u00e0na, ary niara-nirohotra ny olona. Koa nosamborin\u2019izy ireo i Paoly ka notaritaritiny tany ivelan\u2019ny tempoly, ary tonga\u00a0dia nohidiana ny vavahady.",
        "31": "Rehefa nitady hamono azy izy ireo, dia nisy niteny tany amin\u2019ny mpitari-tafika hoe misahotaka i Jerosalema manontolo.",
        "32": "Teo no ho eo ihany izy dia naka miaramila sy manamboninahitra, ary nihazakazaka nidina ho any amin\u2019izy ireo. Tsy nikapoka an\u2019i Paoly intsony izy ireo raha vao nahita an\u2019ilay mpitari-tafika sy ny miaramila.",
        "33": "Dia nanatona ilay mpitari-tafika ka nisambotra an\u2019i Paoly ary nanome baiko ny hamatorana azy amin\u2019ny rojo\u00a0vy anankiroa. Nanontany izy avy eo hoe iza izy ary inona no nataony.",
        "34": "Fa niantsoantso mafy ny vahoaka, ka hafa no nolazain\u2019ny sasany, ary hafa no nolazain\u2019ny sasany. Nitabataba be izy ireo, ka tsy fantatr\u2019ilay mpitari-tafika izay tena marina. Nanome baiko ny hitondrana an\u2019i Paoly ho any amin\u2019ny toby miaramila \u00e0ry izy.",
        "35": "Rehefa tonga teo amin\u2019ny tohatoha-bato anefa i Paoly, dia voatery nobatain\u2019ny miaramila izy satria nahery setra ny vahoaka.",
        "36": "Mbola nisy olona maro be nanaraka ihany mantsy sady niantsoantso hoe: \u201cVonoy any io!\u201d",
        "37": "Rehefa hitondra an\u2019i Paoly tao amin\u2019ilay toby ny miaramila, dia hoy izy tamin\u2019ilay mpitari-tafika: \u201cMba afaka miresaka kely aminao ve aho?\u201d Dia namaly ilay mpitari-tafika hoe: \u201cMahay miteny grika angaha ianao?",
        "38": "Fa tsy ianao moa ilay Ejipsianina nitaona ny vahoaka hikomy vao haingana iny, sady nitondra an\u2019ireo 4\u00a0000\u00a0lahy mpitan-tsabatra ho any an-tany efitra?\u201d",
        "39": "Dia hoy i Paoly: \u201cIzaho ange Jiosy\u00a0e! Avy any Tarsosy any Kilikia aho, sady olom-pirenena avy ao amin\u2019ny tan\u00e0na malaza. Koa miangavy anao aho, avelao aho hiteny amin\u2019ny olona.\u201d",
        "40": "Dia nanome azy alalana hiteny ilay mpitari-tafika. Koa nitsangana teo amin\u2019ny tohatoha-bato i Paoly ary nanao fihetsika tamin\u2019ny tanany mba hampanginana ny vahoaka. Rehefa nangina daholo ny rehetra, dia niteny tamin\u2019ny teny hebreo izy hoe:"
    },
    "22": {
        "1": "\u201cRy rahalahy sy ianareo raiamandreny, henoy aho fa hilaza ny fiarovan-tenako aho izao.\u201d",
        "2": "Ary vao mainka nangina izy ireo rehefa nandre azy niteny hebreo taminy. Dia hoy izy:",
        "3": "\u201cJiosy aho, ary teraka tany Tarsosy any Kilikia, nefa nampianarina teto amin\u2019ity tan\u00e0na ity, teo an-tongotr\u2019i Gamaliela. Nampianarina mba hanaraka amin\u2019ny an-tsipiriany ny Lal\u00e0n\u2019ny razambentsika aho, ka nafana fo tamin\u2019ny fanompoana an\u2019Andriamanitra hoatr\u2019anareo rehetra ireo.",
        "4": "Dia nenjehiko izay anisan\u2019izany Lalana izany, ary maty mihitsy aza ny sasany tamin\u2019izy ireny. Nofatorako sy natolotro mba hatao am-ponja izy ireny, na lahy na vavy.",
        "5": "Ary afaka manamarina an\u2019izany ny mpisoronabe sy ny anti-panahy rehetra. Avy tamin-dry\u00a0zareo koa no nahazoako taratasy hisamborana an\u2019ireo rahalahy tany Damaskosy, ary efa teny an-dalana ho any aho mba hitondra azy ireny mifatotra hankat\u1ef3 Jerosalema mba hosazina.",
        "6": "\u201cRaha mbola teny an-dalana anefa aho ary efa akaiky an\u2019i Damaskosy, tamin\u2019ny mitataovovonana teo ho eo, dia nisy hazavana be tampoka avy any an-danitra nanjelanjelatra nanodidina ahy.",
        "7": "Dia nianjera tamin\u2019ny tany aho, ary naheno feo nilaza tamiko hoe: \u2018Saoly, Saoly, fa maninona ianao no manenjika ahy?\u2019",
        "8": "Koa namaly aho hoe: \u2018Iza moa ianao, tompoko?\u2019 Ary hoy izy: \u2018Izaho no Jesosy avy any Nazareta, ilay enjehinao.\u2019",
        "9": "Tena nahita an\u2019ilay hazavana koa ireo lehilahy niaraka tamiko, saingy tsy naheno an\u2019izay nolazain\u2019ilay niresaka tamiko.",
        "10": "Dia niteny aho hoe: \u2018Inona, tompoko, no tokony hataoko?\u2019 Ary hoy ny Tompo tamiko: \u2018Mitsang\u00e0na dia mandehana any Damaskosy, fa hisy olona any hilaza aminao an\u2019izay rehetra asaina ataonao.\u2019",
        "11": "Tsy nahita na inona na inona anefa aho satria namirapiratra be ilay hazavana, ka notantanan\u2019ireo niaraka tamiko nankany Damaskosy.",
        "12": "\u201cAry tonga tany amiko ny lehilahy atao hoe Ananiasy, lehilahy matahotra an\u2019Andriamanitra sady mankat\u00f2 ny Lal\u00e0na ary tsara laza teo amin\u2019ny Jiosy rehetra nonina tany.",
        "13": "Rehefa tonga izy, dia nijoro teo akaikiko ary niteny hoe: \u2018Ry\u00a0Saoly, rahalahy, aoka hahita indray ianao!\u2019 Tamin\u2019izay indrindra aho no nitraka ka nahita azy.",
        "14": "Dia hoy izy: \u2018Efa nifidy anao ilay Andriamanitry ny razambentsika mba hahalalanao ny sitrapony sy hahitanao an\u2019ilay marina ary handrenesanao ny feony,",
        "15": "satria ianao no ho vavolombelony hanambara amin\u2019ny olona rehetra an\u2019izay zavatra hitanao sy henonao.",
        "16": "Koa inona no andrasanao? Mitsang\u00e0na, ary aoka hatao batisa ianao ka hiantso ny anarany mba ho voasasa ho afaka amin\u2019ny fahotanao.\u2019",
        "17": "\u201cRehefa niverina teto Jerosalema aho ka nivavaka tao amin\u2019ny tempoly, dia nahita fahitana.",
        "18": "Hitako ny Tompo nilaza tamiko hoe: \u2018Haingana ianao, mial\u00e0 haingana eto Jerosalema fa tsy hanaiky anao hijoro vavolombelona hanambara momba ahy izy ireo.\u2019",
        "19": "Dia hoy aho: \u2018Tompo\u00a0\u00f4, fantatr\u2019izy ireo tsara ange fa nitety synagoga mihitsy aho ka nanao am-ponja sy nikapoka an\u2019izay nino anao\u00a0e!",
        "20": "Ary tamin\u2019ny fotoana nandatsahana ny ran\u2019i Stefana vavolombelonao, dia mba nijoro teo koa aho. Nankasitraka an\u2019izany aho ary niambina ny akanjo ivelan\u2019ireo namono azy.\u2019",
        "21": "Hoy anefa izy tamiko: \u2018Mandehana fa hirahiko ho any amin\u2019ny hafa firenena any lavitra ianao.\u2019\u201d",
        "22": "Nihaino an\u2019i Paoly izy ireo hatreo amin\u2019izany teny izany. Dia niantsoantso mafy izy ireo avy eo hoe: \u201cFongory tsy ho eto an-tany intsony io lehilahy io, fa tsy mendrika ny ho velona!\u201d",
        "23": "Niantsoantso izy ireo sady nanipy ny akanjony ivelany ary nanipy vovoka teny amin\u2019ny rivotra.",
        "24": "Koa nanome baiko ny hitondrana an\u2019i Paoly ho any amin\u2019ny toby miaramila ny mpitari-tafika. Ary nasainy nokaravasina i Paoly rehefa nofotopotorana, mba ho tena fantany hoe naninona ny vahoaka no nitabataba tamin\u2019i Paoly hoatr\u2019ireny.",
        "25": "Rehefa natsotra mba hokaravasina i Paoly, dia hoy izy tamin\u2019ilay manamboninahitra nijoro teo: \u201cAzonareo atao angaha ny mikapoka Romanina mbola tsy voaheloka?\u201d",
        "26": "Rehefa naheno an\u2019izany ilay manamboninahitra dia nandeha nilaza an\u2019izany tany amin\u2019ilay mpitari-tafika, ka niteny hoe: \u201cInona izao no hataonao fa, hay, Romanina io lehilahy io?\u201d",
        "27": "Ary nanatona an\u2019i Paoly ilay mpitari-tafika ka niteny hoe: \u201cHono ho\u2019aho, Romanina ve ianao?\u201d Dia hoy izy: \u201cIe!\u201d",
        "28": "Hoy ilay mpitari-tafika: \u201cVola be no naloako vao nahazo ny zom-pirenena romanina aho.\u201d Fa hoy i Paoly: \u201cIzaho kosa vao teraka dia efa nanana an\u2019izany zo izany.\u201d",
        "29": "Tonga dia niala teo aminy ireo lehilahy saika hampijalijaly azy mandritra ny famotorana. Ary natahotra ilay mpitari-tafika rehefa fantany fa Romanina izy nefa nasainy nofatorana rojo\u00a0vy.",
        "30": "Koa nafahany izy ny ampitso ary nasainy nivory ny lehiben\u2019 ny mpisorona sy ny Fitsarana Avo Jiosy manontolo. Tiany ho fantatra mantsy hoe inona no tena antony niampangan\u2019ny Jiosy an\u2019i Paoly. Dia nentiny nidina tany amin\u2019ilay toerana nivorian\u2019izy ireo i Paoly ka nasainy nijoro teo afovoan\u2019izy ireo."
    },
    "23": {
        "1": "Nijery tsara an\u2019ireo anisan\u2019ny Fitsarana Avo Jiosy i Paoly, ka hoy izy: \u201cRy\u00a0rahalahy, nitondra tena tsara teo anatrehan\u2019Andriamanitra aho, ka madio tanteraka ny feon\u2019ny fieritreretako mandraka androany.\u201d",
        "2": "Nasain\u2019i Ananiasy mpisoronabe namely ny vavan\u2019i Paoly \u00e0ry ireo nijoro teo akaikiny.",
        "3": "Fa hoy i Paoly: \u201cHamely anao koa Andriamanitra, ry\u00a0rindrina voalalotra fotsy! Sady mipetraka hitsara ahy araka ny Lal\u00e0na ve ianao no mandika ny Lal\u00e0na ka manome baiko ny hamelezana ahy?\u201d",
        "4": "Dia hoy ireo nijoro teo: \u201cTevatevainao ve ny mpisoronaben\u2019Andriamanitra?\u201d",
        "5": "Ary hoy i Paoly: \u201cTsy fantatro hoe mpisoronabe izy, ry\u00a0rahalahy. Fa voasoratra tokoa hoe: \u2018Aza vingavingaina ny mpitondra eo amin\u2019ny firenenao.\u2019\u201d",
        "6": "Rehefa tsikaritr\u2019i Paoly fa Sadoseo ny sasany tamin\u2019ny Fitsarana Avo Jiosy ary Fariseo kosa ny sasany, dia niteny mafy teo anatrehan\u2019izy ireo izy hoe: \u201cRy\u00a0rahalahy! Fariseo aho, ary zanaky ny Fariseo. Ny momba ny fanantenana fitsanganana amin\u2019ny maty no itsarana ahy.\u201d",
        "7": "Dia nifamaly ny Fariseo sy ny Sadoseo rehefa naheno azy nilaza an\u2019izany, ka nizara ho ankolafiny roa ireo olona maro be tao.",
        "8": "Ny Sadoseo mantsy milaza fa tsy misy fitsanganana amin\u2019ny maty sady tsy misy anjely na fanahy. Fa ny Fariseo kosa manaiky hoe misy izany rehetra izany.",
        "9": "Koa nisy savorovoro be tao, ary nitsangana ny sasany tamin\u2019ireo mpanora-dal\u00e0na mpomba ny Fariseo, dia nanizingizina mafy hoe: \u201cTsy hitanay izay fahadisoan\u2019io lehilahy io, fa raha nisy fanahy na anjely niresaka taminy ...\u201d",
        "10": "Ary vao mainka nifamaly be izy ireo, ka natahotra ilay mpitari-tafika sao hifandroritan\u2019izy ireo i Paoly. Nanome baiko an\u2019ireo miaramila \u00e0ry izy mba hidina sy hisintona azy haingana avy teo afovoan\u2019ny olona, ary hitondra azy ho any amin\u2019ny toby.",
        "11": "Nijoro teo akaikin\u2019i Paoly anefa ny Tompo ny alin\u2019iny, ka niteny hoe: \u201cMan\u00e0na herim-po! Fa hoatran\u2019ny nitorianao sy nanazavanao tsara ny momba ahy teto Jerosalema no tsy maintsy hitorianao any Roma koa.\u201d",
        "12": "Rehefa maraina ny andro, dia niray tetika ny Jiosy ka niozona fa tsy hihinana na hisotro raha tsy efa matiny i Paoly.",
        "13": "Mihoatra ny 40\u00a0lahy no niray tetika sy nianiana toy izany.",
        "14": "Dia nankany amin\u2019ny lehiben\u2019ny mpisorona sy ny anti-panahy izy ireo, ary niteny hoe: \u201cEfa niozona mafy izahay fa tsy hihinana na inona na inona mihitsy raha tsy efa matinay i Paoly.",
        "15": "Koa tokony hiteny amin\u2019ilay mpitari-tafika ianareo sy ny Fitsarana Avo hoe mila entiny midina at\u1ef3 aminareo i Paoly, dia mody ataovy hoe te hanadihady misimisy kokoa momba an\u2019ilay raharaha itsarana azy ianareo. Ho efa vonona ny hamono azy anefa izahay alohan\u2019ny hahatongavany at\u1ef3.\u201d",
        "16": "Henon\u2019ny zanak\u2019anabavin\u2019i Paoly anefa ilay tetik\u2019izy ireo hoe hiafina mba hanafika an\u2019i Paoly, ka niditra tao amin\u2019ny toby izy ary nitantara an\u2019izany taminy.",
        "17": "Dia nantsoin\u2019i Paoly ny manamboninahitra anankiray, ka nilazany hoe: \u201cEnto any amin\u2019ny mpitari-tafika ity ankizilahy ity fa misy zavatra holazainy aminy.\u201d",
        "18": "Nalain\u2019ilay miaramila \u00e0ry ilay ankizilahy dia nentiny tany amin\u2019ilay mpitari-tafika sady hoy izy: \u201cNantsoin\u2019ilay voafonja atao hoe Paoly aho, dia nangataka tamiko izy mba hitondra an\u2019ity ankizilahy ity ho at\u1ef3 aminao fa misy zavatra holazainy aminao, hono.\u201d",
        "19": "Notantanan\u2019ilay mpitari-tafika ilay ankizilahy ka nentiny niala teo, ary nanontaniany nitokana hoe: \u201cInona izany holazainao amiko izany?\u201d",
        "20": "Dia hoy ilay ankizilahy: \u201cEfa nifanaraka ny Jiosy fa hangataka anao hitondra an\u2019i Paoly hidina any amin\u2019ny Fitsarana Avo rahampitso, dia mody ataon\u2019izy ireo hoe te hahalala misimisy kokoa momba an\u2019ilay raharaha itsarana azy izy ireo.",
        "21": "Koa aza manaiky horeseny lahatra ianao fa lehilahy 40 mahery ry zareo no efa miafina mba hanafika azy. Ary efa niozona ry zareo fa tsy hihinana na hisotro raha tsy efa matiny i Paoly. Efa vonona izy ireo izao, ka ny fanomezan-dalana avy aminao sisa no andrasany.\u201d",
        "22": "Dia nalefan\u2019ilay mpitari-tafika handeha ilay ankizilahy, rehefa avy norarany hoe: \u201cAza lazalazaina na amin\u2019iza na amin\u2019iza hoe nampahafantarinao ahy izany.\u201d",
        "23": "Ary nampiantso manamboninahitra roa lahy izy, ka niteny hoe: \u201cManom\u00e0na miaramila 200\u00a0lahy sy mpitaingin-tsoavaly 70 ary mpitan-defona 200 handeha ho any Kaisaria anio alina, amin\u2019ny ora fahatelo.",
        "24": "Dia manom\u00e0na koa soavaly hitaingenan\u2019i Paoly mba hahatongavany soa aman-tsara any amin\u2019i Feliksa Governora.\u201d",
        "25": "Ary nanoratra taratasy izy, dia izao no nosoratany tao:",
        "26": "\u201cHo an\u2019Andriamatoa Feliksa Governora hajaina: Miarahaba anao, izaho, Klaodio Lysia.",
        "27": "Nosamborin\u2019ny Jiosy ity lehilahy ity ary efa saika novonoiny ho faty, kanjo tonga haingana aho niaraka tamin\u2019ny miaramilako ka namonjy azy, satria henoko fa Romanina izy.",
        "28": "Tiako ho fantatra hoe inona no niampangan\u2019izy ireo azy, ka nentiko nidina nankany amin\u2019ny Fitsarana Avo Jiosy izy.",
        "29": "Hitako fa adihevitra momba ny Lal\u00e0n-dry\u00a0zareo no iampangany azy, fa tsy misy zavatra tokony hamonoana azy ho faty na hanagadrana azy.",
        "30": "Nampahafantarina ahy anefa fa misy mitetika ny hamono azy, koa alefako avy hatrany any aminao izy. Ary asaiko mankany aminao ny mpiampanga azy, ka eo anatrehanao izy ireo no hilaza an\u2019izay iampangany azy.\u201d",
        "31": "Nalain\u2019ireo miaramila ireo \u00e0ry i Paoly, araka ny baiko azony, ka iny alina iny ihany dia nentiny ho any Antipatria.",
        "32": "Navelan\u2019izy ireo hanohy ny dia hiaraka tamin\u2019i Paoly ireo mpitaingin-tsoavaly ny ampitso, fa izy ireo kosa niverina tany amin\u2019ny toby.",
        "33": "Rehefa tonga tao Kaisaria ireo mpitaingin-tsoavaly, dia nanolotra an\u2019ilay taratasy tamin\u2019ny governora sady nampahafantatra an\u2019i Paoly taminy.",
        "34": "Novakin\u2019ny governora \u00e0ry ilay taratasy, dia nanontaniany ny faritany niavian\u2019i Paoly, ka fantany hoe avy any Kilikia izy.",
        "35": "Dia hoy izy: \u201cHohenoiko tsara izay rehetra holazainao, rehefa tonga ny mpiampanga anao.\u201d Ary nanome baiko izy mba hiambenana azy ao amin\u2019ny lapan\u2019i Heroda."
    },
    "24": {
        "1": "Rehefa afaka dimy andro, dia nidina tany Kaisaria i Ananiasy mpisoronabe sy ny anti-panahy sasany ary ny mpisolovava iray atao hoe Tertylo, ka niampanga an\u2019i Paoly tamin\u2019ny governora.",
        "2": "Rehefa nantsoina i Tertylo, dia nanomboka niampanga azy hoe: \u201cMilamina tsara ny eto aminay noho ianao, ry\u00a0Feliksa Governora hajaina\u00a0\u00f4, ary tena mahay mitsinjo ny hoavy ianao ka mitondra fivoarana eto amin\u2019ity firenena ity.",
        "3": "Miaiky an\u2019izany daholo izahay hatramin\u2019izay ary na aiza na aiza, ry\u00a0Feliksa Governora hajaina\u00a0\u00f4, ka tena mankasitraka be dia be anao.",
        "4": "Mba tsy hihazonana anao maharitra anefa, dia miangavy anao aho mba ho tsara fanahy aminay ka hihaino anay vetivety.",
        "5": "Hitanay mantsy fa mpanakorontana io lehilahy io, ka ampirisihiny hikomy amin\u2019ny fanjakana ny Jiosy rehetra manerana ny tany, ary izy no mitarika an\u2019ilay sektan\u2019ny Nazareanina.",
        "6": "Nitady hanazimbazimba ny tempoly koa izy ka nosamborinay.",
        "7": "* \u2014\u2014",
        "8": "Ho hitanao fa marina izany zava-drehetra iampanganay azy izany rehefa ataonao famotorana izy.\u201d",
        "9": "Ary niampanga azy koa ny Jiosy ka nanizingizina fa marina daholo izany.",
        "10": "Rehefa nanao fihetsika tamin\u2019ny lohany ny governora mba hanomezana fitenenana an\u2019i Paoly, dia namaly i Paoly hoe: \u201cFantatro tsara fa efa an-taonany maro ianao no mpitsaran\u2019ity firenena ity. Koa faly aho hilaza aminao ny fiarovan-tenako.",
        "11": "Azonao hamarinina koa fa tsy mihoatra ny 12 andro izay no niakarako hivavaka tany Jerosalema.",
        "12": "Ary tsy nahita ahy niady hevitra tamin\u2019olona tao amin\u2019ny tempoly ireo na nampirisika ny vahoaka hirotaka, na tao amin\u2019ny synagoga izany na eran\u2019ny tan\u00e0na.",
        "13": "Tsy afaka manaporofo an\u2019ireo zavatra iampangany ahy izao koa ry\u00a0zareo.",
        "14": "Ekeko eto anatrehanao anefa, fa mifanaraka amin\u2019ilay antsoin\u2019izy ireo hoe \u2018sekta\u2019 no anompoako ny Andriamanitry ny razambeko, satria mino an\u2019izay rehetra voalazan\u2019ny Lal\u00e0na sy voasoratra ao amin\u2019ny Mpaminany aho.",
        "15": "Ary manantena hoatr\u2019azy ireo koa aho fa hatsangan\u2019Andriamanitra ny marina sy ny tsy marina.",
        "16": "Izany no mahatonga ahy hiezaka foana hanana feon\u2019ny fieritreretana madio eo anatrehan\u2019Andriamanitra sy ny olona.",
        "17": "Tonga eto amin\u2019ny fireneko aho izao, taona maro at\u1ef3 aoriana, mba hitondra fanomezana ho fiantrana ny mahantra sy hanao fanatitra.",
        "18": "Teo am-panaovana an\u2019izany aho no hitan-dry\u00a0zareo tao amin\u2019ny tempoly. Efa nadio araka ny takin\u2019ny Lal\u00e0na aho tamin\u2019izay, ary tsy niaraka tamin\u2019olona be dia be na nahatonga korontana. Fa nisy Jiosy avy any amin\u2019ny faritanin\u2019i Azia tao,",
        "19": "ary ry\u00a0zareo no tokony ho tonga hiampanga ahy eto anatrehanao raha tena misy zavatra iampangany ahy!",
        "20": "Na aleo ireto olona manatrika eto ireto no hilaza an\u2019izay ratsy hitany nataoko tamin\u2019izaho nijoro teo anatrehan\u2019ny Fitsarana Avo Jiosy.",
        "21": "Raha tsy hoe ilay zavatra noteneniko tamin\u2019izaho nijoro teo anatrehan\u2019izy ireo angaha no noheverin\u2019izy ireo hoe ratsy nataoko, dia ilay teniko hoe: \u2018Ny momba ny fitsanganana amin\u2019ny maty no itsarana ahy eto anatrehanareo anio!\u2019\u201d",
        "22": "Nampihemotra an\u2019ilay raharaha anefa i Feliksa, izay nahalala tsara ny amin\u2019izany Lalana izany, ka niteny hoe: \u201cRehefa midina at\u1ef3 i Lysia mpitari-tafika vao hanapa-kevitra ny amin\u2019ity raharahanareo ity aho.\u201d",
        "23": "Ary nomeny baiko ilay manamboninahitra mba hitana an\u2019i Paoly, nefa koa hamela azy hanao zavatra sasany, ary hamela ny namany hikarakara azy.",
        "24": "Ary tonga i Feliksa andro vitsivitsy taorian\u2019izay, niaraka tamin\u2019i Drosila vadiny, izay Jiosy. Dia nampaka an\u2019i Paoly izy ka nihaino azy niresaka momba ny finoana an\u2019i Kristy Jesosy.",
        "25": "Rehefa niresaka momba ny atao hoe mety sy tsy mety sy ny fifehezan-tena ary ny fitsarana ho avy anefa i Paoly, dia natahotra i Feliksa ka niteny hoe: \u201cMandehana amin\u2019izay aloha, fa mbola hampaka anao ihany aho rehefa misy fotoana.\u201d",
        "26": "Nanantena koa anefa izy hoe homen\u2019i Paoly vola, ka izany no nahatonga azy hampaka azy matetika kokoa sy hiresaka taminy.",
        "27": "Roa taona tat\u1ef3 aoriana anefa, dia nandimby an\u2019i Feliksa i Porsio Festosy. Ary navelan\u2019i Feliksa tao am-ponja i Paoly, satria te hahazo sitraka tamin\u2019ny Jiosy izy."
    },
    "25": {
        "1": "Telo andro taorian\u2019ny nahatongavan\u2019i Festosy tao amin\u2019ilay faritany sy nandraisany ny fahefana, dia niala tany Kaisaria izy ka niakatra tany Jerosalema.",
        "2": "Dia niampanga an\u2019i Paoly ireo lehiben\u2019ny mpisorona sy lohandohany teo amin\u2019ny Jiosy. Niangavy an\u2019i Festosy \u00e0ry izy ireo",
        "3": "mba hanaiky ny fangatahany ka handefa an\u2019i Paoly any Jerosalema. Efa nanao tetika anefa izy ireo hoe hiafina mba hanafika an\u2019i Paoly, ka hamono azy eny an-dalana.",
        "4": "Namaly kosa i Festosy fa tokony hotanana am-ponja any Kaisaria ihany i Paoly, ary izy rahateo efa hiverina any tsy ho ela.",
        "5": "Hoy koa izy: \u201cAfaka miara-midina amiko \u00e0ry ireo lehibenareo dia hiampanga an\u2019izany lehilahy izany, raha tena nanao zavatra tsy nety tokoa izy.\u201d",
        "6": "Koa tsy nijanona tany amin\u2019izy ireo afa-tsy valo na folo andro izy, ary nidina tany Kaisaria avy eo. Nipetraka teo amin\u2019ny toeram-pitsarana izy ny ampitson\u2019iny, dia nasainy nentina teo i Paoly.",
        "7": "Rehefa niditra i Paoly, dia nitsangana nanodidina azy ny Jiosy nidina avy tany Jerosalema. Betsaka ny zavatra niampangany azy sady tsy hoe maivamaivana, nefa tsy vitan\u2019izy ireo akory ny nanaporofo azy ireny.",
        "8": "Hoy anefa i Paoly rehefa niaro ny tenany: \u201cTsy nandika ny Lal\u00e0n\u2019ny Jiosy aho, na nanota tamin\u2019ny tempoly na tamin\u2019i Kaisara.\u201d",
        "9": "I Festosy kosa nila sitraka tamin\u2019ny Jiosy ka namaly an\u2019i Paoly hoe: \u201cTianao ve ny hiakatra ho any Jerosalema dia hotsaraina eo anatrehako momba an\u2019izany zavatra izany?\u201d",
        "10": "Hoy anefa i Paoly: \u201cMijoro eto anoloan\u2019ny toeram-pitsaran\u2019i Kaisara aho, ary eto no tokony hitsarana ahy. Tsy nanao ratsy tamin\u2019ny Jiosy aho, ary fantatrao tsara koa izany.",
        "11": "Raha tena olon-dratsy tokoa aho ka nahavita zavatra tokony hamonoana ahy ho faty, dia tsy mand\u00e0 ny ho faty aho. Fa raha tsy misy mitombina kosa ny zavatra iampangan\u2019ireto lehilahy ireto ahy, dia tsy misy manan-jo hanolotra ahy amin\u2019izy ireo mba hampifaliana azy ireo fotsiny. Ampakariko any amin\u2019i Kaisara ity raharaha ity!\u201d",
        "12": "Rehefa avy niara-nidinika tamin\u2019ireo mpanolo-tsaina i Festosy, dia niteny hoe: \u201cNampakarinao any amin\u2019i Kaisara ny raharaha, ka dia ho any amin\u2019i Kaisara ianao.\u201d",
        "13": "Tonga tany Kaisaria i Agripa Mpanjaka sy Berenika, andro vitsivitsy taorian\u2019izay, mba hitsidika an\u2019i Festosy ara-pomba fifanajana.",
        "14": "Nijanona andro maromaro tao izy ireo, ka noresahin\u2019i Festosy tamin\u2019ny mpanjaka ny raharaha momba an\u2019i Paoly. Hoy izy: \u201cMisy an\u2019izay gadra izay navelan\u2019i Feliksa ato.",
        "15": "Ary noresahin\u2019ny lehiben\u2019ny mpisorona sy ny anti-panahin\u2019ny Jiosy tamiko ny momba azy, tamin\u2019izaho tany Jerosalema, ka nangataka ny hanamelohana azy ry\u00a0zareo.",
        "16": "Novaliako anefa ry\u00a0zareo fa tsy fanaon\u2019ny Romanina ny manolotra olona amin\u2019ny mpiampanga azy mba hampifaliana azy ireo fotsiny. Mila ampifanatrehina amin\u2019ny mpiampanga azy aloha ilay olona, mba ho afaka hiaro tena.",
        "17": "Koa tsy nangataka andro aho rehefa tonga teto ry\u00a0zareo, fa ny ampitson\u2019iny ihany dia nipetraka teo amin\u2019ny toeram-pitsarana aho ary nasaiko nentina teo ilay lehilahy.",
        "18": "Nitsangana ny mpiampanga azy dia niteny, nefa tsy ny zava-dratsy noeritreretiko no niampangany azy.",
        "19": "Hay nisy adihevitra fotsiny teo amin-dry\u00a0zareo momba ny fivavahany amin\u2019andriamanitra sy momba an\u2019izany lehilahy atao hoe Jesosy izany, izay efa maty nefa izingizinin\u2019i Paoly hoe velona.",
        "20": "Tsy hitako izay natao mba handaminana an\u2019ilay adihevitra, ka nanontaniako izy raha te ho any Jerosalema dia any izy no hotsaraina momba an\u2019izany zavatra izany.",
        "21": "Nangataka ny hotanana am-ponja anefa i Paoly mba ho Ilay Heni-kaja no hanapa-kevitra ny momba azy. Koa nanome baiko ny hitazonana azy ao am-ponja aho mandra-pandefako azy any amin\u2019i Kaisara.\u201d",
        "22": "Dia hoy i Agripa tamin\u2019i Festosy: \u201cMba te hihaino an\u2019izany lehilahy izany koa aho.\u201d Hoy i Festosy: \u201cHaheno azy ianao rahampitso.\u201d",
        "23": "Ny ampitson\u2019iny \u00e0ry, dia tonga tamin\u2019ny fomba nanetriketrika be i Agripa sy Berenika. Ary niditra tao amin\u2019ny efitra fitsarana izy ireo, niaraka tamin\u2019ny mpitari-tafika sy ny olona ambony tao an-tan\u00e0na. Dia nanome baiko i Festosy ka nampidirina i Paoly.",
        "24": "Ary hoy i Festosy: \u201cRy\u00a0Agripa Mpanjaka sy ianareo rehetra izay manatrika eto miaraka aminay, io hitanareo io ilay lehilahy nangatahin\u2019ny vahoaka jiosy tamiko, na tany Jerosalema na teto. Niantsoantso ry\u00a0zareo hoe tsy mendrika ny ho velona intsony, hono, izy.",
        "25": "Hitako anefa hoe tsy nanao zavatra tokony hamonoana azy ho faty izy. Koa rehefa nampakatra ny raharaha any amin\u2019Ilay Heni-kaja izy, dia tapa-kevitra aho fa handefa azy ho any.",
        "26": "Tsy fantatro anefa hoe inona marina no hosoratako momba azy any amin\u2019ny Tompoko. Koa nentiko eto anatrehanareo rehetra izy, ary indrindra fa eto anatrehanao, ry\u00a0Agripa Mpanjaka\u00a0\u00f4, mba hisy zavatra hosoratako rehefa vita ny famotorana.",
        "27": "Tsy mety mantsy, araka ny hevitro, ny mandefa voafonja any Roma nefa tsy milaza ny antony iampangana azy.\u201d"
    },
    "26": {
        "1": "Hoy i Agripa tamin\u2019i Paoly: \u201cMahazo miteny ianao hiarovana ny tenanao.\u201d Dia nanatsotra ny tanany i Paoly, ka nilaza an\u2019izao ho fiarovan-tena:",
        "2": "\u201cFaly aho, ry Agripa Mpanjaka, fa eto anatrehanao no ilazako ny fiarovan-tenako anio, momba ny zavatra rehetra iampangan\u2019ny Jiosy ahy.",
        "3": "Faly aho, satria ianao mahay tsara ny fanao sy ny adihevitra rehetra eo amin\u2019ny Jiosy. Koa miangavy anao aho mba haharitra hihaino ahy.",
        "4": "\u201cFantatry ny Jiosy rehetra ny fomba fiainako teo amin\u2019ny mpiray firenena amiko sy tany Jerosalema, hatramin\u2019izaho mbola kely.",
        "5": "Fantatry ny Jiosy nahalala tsara ahy izany. Ary afaka manamarina an\u2019izany ry\u00a0zareo, raha tiany, fa efa Fariseo aho ka nanaraka an\u2019ilay sekta hentitra indrindra tao amin\u2019ny fivavahanay.",
        "6": "Noho izaho manantena an\u2019ilay fampanantenana nataon\u2019Andriamanitra tamin\u2019ny razambentsika anefa izao no itsarana ahy.",
        "7": "Izany fampanantenana izany koa no antenain\u2019ny foko 12 eto amin\u2019ny firenentsika. Manantena ny hahita ny fahatanterahan\u2019izany izy ireo, ka miezaka mafy manao fanompoana masina ho an\u2019Andriamanitra andro aman\u2019alina. Momba an\u2019izany fanantenana izany no iampangan\u2019ny Jiosy ahy, ry\u00a0Mpanjaka\u00a0\u00f4!",
        "8": "\u201cManinona ianareo no mihevitra fa tsy azo inoana hoe manangana ny maty Andriamanitra?",
        "9": "Nisy fotoana aho tena resy lahatra hoe tokony hanao an\u2019izay rehetra azoko atao mba hanoherana ny anaran\u2019i Jesosy avy any Nazareta.",
        "10": "Dia izany mihitsy no nataoko tany Jerosalema. Be dia be ny olona masina nogadraiko, satria nahazo fahefana avy tamin\u2019ny lehiben\u2019ny mpisorona aho. Ary rehefa hovonoina ho faty izy ireny, dia mba nandatsa-bato nanaiky an\u2019izany aho.",
        "11": "Nanasazy matetika azy ireny aho tany amin\u2019ny synagoga rehetra, mba hanerena azy handa ny finoany. Romotra tamin\u2019izy ireny aho, ka vitako hatramin\u2019ny nanenjika azy tany amin\u2019ny tan\u00e0na hafa mihitsy aza.",
        "12": "\u201cIzany no nandehanako tany Damaskosy, fa nahazo fahefana sy fanomezan-dalana avy tamin\u2019ny lehiben\u2019ny mpisorona aho.",
        "13": "Raha mbola teny an-dalana aho, tamin\u2019ny mitataovovonana, ry Mpanjaka\u00a0\u00f4, dia nahita hazavana avy any an-danitra izay nanjelanjelatra mihoatra noho ny masoandro. Nanodidina ahy sy ireo niara-dia tamiko ilay izy.",
        "14": "Dia nianjera tamin\u2019ny tany daholo izahay rehetra, ary naheno feo aho nilaza tamiko tamin\u2019ny teny hebreo hoe: \u2018Saoly, Saoly, fa maninona no manenjika ahy ianao? Ianao ihany ange no ho voan\u2019ny ataonao raha mitsipaka lava ny hazo fanindronana ianao\u00a0e!\u2019",
        "15": "Fa hoy aho: \u2018Iza moa ianao, tompoko?\u2019 Dia hoy ny Tompo: \u2018Izaho no Jesosy, ilay enjehinao.",
        "16": "Fa mitsang\u00e0na, dia mijoroa! Miseho aminao aho satria hifidy anao ho mpanompo, sy ho vavolombelona hanambara ny zavatra efa hitanao sy mbola hasehoko anao momba ahy.",
        "17": "Ary hamonjy anao amin\u2019ity vahoaka ity sy amin\u2019ny hafa firenena izay anirahako anao aho.",
        "18": "Hirahiko ianao mba hanokatra ny masony, ka hialany amin\u2019ny haizina ho ao amin\u2019ny mazava, ary hialany amin\u2019ny fahefan\u2019i Satana ho eo ambany fahefan\u2019Andriamanitra. Amin\u2019izay izy ireo hahazo famelan-keloka ary hahazo lova miaraka amin\u2019ireo nohamasinina noho izy ireo mino ahy.\u2019",
        "19": "\u201cKoa nankat\u00f2 an\u2019izay nolazaina tamiko tao amin\u2019ilay fahitana avy any an-danitra aho, ry\u00a0Agripa Mpanjaka\u00a0\u00f4!",
        "20": "Nankany amin\u2019ny olona nipetraka tany Damaskosy \u00e0ry aho aloha, ary avy eo nankany amin\u2019ny olona nipetraka tany Jerosalema sy eran\u2019ny faritr\u2019i Jodia ary tany amin\u2019ny firenen-kafa. Ny hafatra nampitaiko tamin\u2019izy ireo dia hoe tokony hibebaka sy hiverina amin\u2019Andriamanitra izy ireo, ka hampiseho amin\u2019ny ataony fa nibebaka.",
        "21": "Izany no antony nisamboran\u2019ny Jiosy ahy tao amin\u2019ny tempoly, ka saika namonoany ahy.",
        "22": "Nampian\u2019Andriamanitra anefa aho, ka mbola mitory foana mandraka androany, na amin\u2019ny madinika na amin\u2019ny lehibe. Ary tsy milaza afa-tsy izay nambaran\u2019ny Mpaminany sy nambaran\u2019i Mosesy fa hitranga aho,",
        "23": "dia ny hoe tsy maintsy nijaly i Kristy, ary ho voalohany amin\u2019izay hatsangana amin\u2019ny maty izy, ka hitory momba ny hazavana amin\u2019ny vahoakan\u2019Israely sy amin\u2019ny hafa firenena.\u201d",
        "24": "Raha mbola nilaza an\u2019izany i Paoly ho fiarovan-tenany, dia niteny mafy i Festosy hoe: \u201cLasa adala ianao, ry\u00a0Paoly\u00a0a! Ny fianarana be nataonao no mahalasa adala anao!\u201d",
        "25": "Hoy anefa i Paoly: \u201cTsy lasa adala aho, ry\u00a0Festosy Governora hajaina\u00a0\u00f4, fa marina ny teniko sady mitombina tsara.",
        "26": "Mahalala tsara an\u2019izany ny mpanjaka ka sahy miresaka aminy momba an\u2019izany aho. Azoko antoka mantsy hoe tsy misy tsy fantany izany rehetra izany, satria tsy nisy niafina ny nanaovana an\u2019izany.",
        "27": "Mino ny Mpaminany ve ianao, ry\u00a0Agripa Mpanjaka? Fantatro fa mino ianao.\u201d",
        "28": "Fa hoy i Agripa tamin\u2019i Paoly: \u201cRaha nisy kely foana dia ho naharesy lahatra ahy ho lasa Kristianina ianao.\u201d",
        "29": "Dia hoy i Paoly: \u201cMangataka amin\u2019Andriamanitra aho mba tsy hoe ianao ihany no ho lasa hoatr\u2019ahy, na ho ela na ho haingana, fa izay rehetra maheno ahy anio koa. Tsy iriko anefa hoe ho voafatotry ny rojo\u00a0vy hoatr\u2019ahy izao ianareo.\u201d",
        "30": "Dia nitsangana ny mpanjaka, ary nitsangana koa ny governora sy Berenika ary ny olona niara-nipetraka tamin\u2019izy ireo.",
        "31": "Sady niala teo izy ireo no nifampiresaka hoe: \u201cTsy nanao zavatra tokony hamonoana azy ho faty na hanagadrana azy io lehilahy io.\u201d",
        "32": "Dia hoy i Agripa tamin\u2019i Festosy: \u201cRaha tsy nampakatra an\u2019ity raharaha ity any amin\u2019i Kaisara izy, dia ho azo nafahana.\u201d"
    },
    "27": {
        "1": "Tapaka ny hevitra fa halefa sambo ho any Italia izahay. Koa natolotra an\u2019i Jolio, manamboninahitra avy amin\u2019ny andia-miaramilan\u2019i Aogosto, i Paoly sy ny gadra sasany.",
        "2": "Sambo avy tany Adramytena no niakaranay, ary efa hanainga ho any amin\u2019ireo seranana teny amin\u2019ny morontsiraky ny faritanin\u2019i Azia izy io. Dia lasa izahay ary niaraka taminay koa i Aristarko, Makedonianina avy any Tesalonika.",
        "3": "Tonga tao Sidona izahay ny ampitson\u2019iny. Tsara fanahy tamin\u2019i Paoly i Jolio, ka namela azy ho any amin\u2019ny namany sy hokarakarain\u2019izy ireo.",
        "4": "Niala tao indray izahay, ka nanaraka ny moron\u2019i Sipra mba tsy ho azon\u2019ny rivotra. Notoherin\u2019ny rivotra mantsy izahay.",
        "5": "Dia nandeha teny afovoan-dranomasina izahay rehefa nandalo tandrifin\u2019i Kilikia sy Pamfylia, ka tody tao amin\u2019ny seranan\u2019i Myra, any Lykia.",
        "6": "Tao dia nahita sambo avy tany Aleksandria ilay manamboninahitra. Ho any Italia izy io, ka nasainy niakatra tao izahay.",
        "7": "Dia nandeha niadana nandritra ny andro maromaro ilay sambo, ka sahirana izahay vao tonga tao Kinido. Ary nandalo tandrifin\u2019i Salmona izahay, dia avy eo nanaraka ny moron\u2019i Kreta mba tsy ho azon\u2019ny rivotra, satria tsy namela anay handroso ny rivotra.",
        "8": "Sahirana izahay nanara-morona an\u2019io tany io. Tonga teo amin\u2019ny toerana atao hoe Seranana Kanto ihany anefa izahay. Teo akaikin\u2019ny tan\u00e0nan\u2019i Lasea no nisy azy io.",
        "9": "Ary efa lasa be ny fotoana, ka efa nampidi-doza ny nandeha sambo, satria na ny andro fifadian-kanina amin\u2019ny Andro Fandrakofam-pahotana aza efa tapitra. Nanoro hevitra azy ireo \u00e0ry i Paoly",
        "10": "hoe: \u201cRaha ny fahitako azy, dia ho voa mafy isika raha mbola manohy ny diantsika. Tsy hoe ny sambo sy ny entana fotsiny mantsy no ho simba, fa ny aintsika koa aza mety hafoy.\u201d",
        "11": "Ny tenin\u2019ilay mpitondra sambo sy ny tompon-tsambo anefa no narahin\u2019ilay manamboninahitra, fa tsy ny tenin\u2019i Paoly.",
        "12": "Koa satria tsy tsara hijanonana amin\u2019ny ririnina ilay seranana, dia nanoro hevitra ny ankamaroan\u2019ny olona hoe aleo miala ao, sao mba ho tonga hatrany Foiniksa ihany, dia any no hijanona mandritra ny ririnina. Seranan\u2019i Kreta i Foiniksa, ary mitodika mianavaratra atsinanana sy mianatsimo atsinanana.",
        "13": "Rehefa nitsoka nalefaka ny rivotra avy any atsimo, dia nieritreritra izy ireo fa ho tonga any amin\u2019ilay tanjony. Dia nampiakarina ny vatofantsika ary lasa izy ireo nanara-morona an\u2019i Kreta.",
        "14": "Kelikely taorian\u2019izay anefa dia nifofofofo namely an\u2019ilay nosy ny rivo-mahery atao hoe Eorakylona.",
        "15": "Dia nopaohin\u2019ny rivotra ilay sambo, ary tsy nahatohitra an\u2019ilay izy, ka navelanay hoentiny any amin\u2019izay itondrany azy.",
        "16": "Nanaraka ny moron\u2019ny nosy kely atao hoe Kaoda izahay mba tsy ho azon\u2019 ny rivotra, nefa saika mbola tsy vitanay ihany ny naka an\u2019ilay lakan\u2019aina teo amin\u2019ny vodisambo.",
        "17": "Rehefa tafakatra tao anaty sambo ilay lakana, dia nofatoran\u2019izy ireo ny vatan\u2019ilay sambo mba hanamafisana azy. Ary natahotra ny hidona tamin\u2019ny dongom-pasik\u2019i Sirtisy izy ireo, ka nampidininy ny lay, dia nentin\u2019ny rivotra ny sambo.",
        "18": "Mbola natsipitsipin\u2019ilay tafio-drivotra anefa izahay, ka natao izay hahamaivana an\u2019ilay sambo ny ampitson\u2019iny.",
        "19": "Ary ny tanan\u2019izy ireo mihitsy no nanary an\u2019ireo fitaovana tamin\u2019ilay sambo, tamin\u2019ny andro fahatelo.",
        "20": "Efa andro maro no tsy tazana intsony na ny masoandro na ny kintana, ary nahery be ny tafio-drivotra namely anay, ka tsy dia nanantena firy ny ho voavonjy intsony izahay.",
        "21": "Ary efa ela ny olona no tsy nihinan-kanina, ka nitsangana teo afovoan\u2019izy ireo i Paoly, ary nilaza hoe: \u201cTokony ho narahinareo mihitsy ny teniko, ka tsy niala tany Kreta isika, dia tsy ho voa mafy hoatr\u2019izao ary tsy ho simba ny sambo.",
        "22": "Fa mampirisika anareo aho izao mba tsy ho kivy, satria tsy hisy hamoy ny ainareo ianareo, fa ny sambo ihany no hafoy.",
        "23": "Nisy anjelin\u2019ilay Andriamanitra tompoko sady anaovako fanompoana masina mantsy nitsangana teo akaikiko tamin\u2019ny alina,",
        "24": "dia niteny hoe: \u2018Aza matahotra, ry\u00a0Paoly, fa tsy maintsy hijoro eo anatrehan\u2019i Kaisara ianao. Ary hitsimbina ny ainao Andriamanitra sady hitsimbina ny ain\u2019izay rehetra miara-dia aminao ato anaty sambo.\u2019",
        "25": "Koa mahereza! Mino aho fa hotanterahin\u2019Andriamanitra tokoa izay nolazainy tamiko.",
        "26": "Tsy maintsy hidona amin\u2019ny nosy iray anefa isika.\u201d",
        "27": "Mbola natopatopan\u2019ny Ranomasin\u2019i Adria izahay ny alina faha-14. Tamin\u2019ny misasakalina, dia tsinjotsinjon\u2019ireo tantsambo fa nanakaiky tany anankiray izy ireo.",
        "28": "Norefesin\u2019izy ireo ny halalin\u2019ny rano ka hitany fa 36\u00a0metatra teo ho eo. Dia nandeha kelikely izy ireo ka norefesiny indray, dia hitany fa 27\u00a0metatra teo ho eo.",
        "29": "Ary natahotra izy ireo sao hidona amin\u2019ny harambato izahay. Koa nalatsany ny vatofantsika efatra avy teo amin\u2019ny vodisambo, ary tsy andriny izay hahamaraina ny andro.",
        "30": "Nitady handositra hiala tao amin\u2019ilay sambo anefa ny tantsambo. Nampidinin\u2019izy ireo ho eny an-dranomasina \u00e0ry ilay lakan\u2019aina, ka mody hoe handatsaka vatofantsika avy eo amin\u2019ny loha sambo izy ireo.",
        "31": "Dia hoy i Paoly tamin\u2019ilay manamboninahitra sy ny miaramila: \u201cRaha tsy mijanona ato anaty sambo ireo olona ireo, dia tsy ho voavonjy ianareo.\u201d",
        "32": "Notapahin\u2019ny miaramila \u00e0ry ny tadin\u2019ilay lakana, ka navelany ho latsaka ilay lakana.",
        "33": "Rehefa nangiran-dratsy ny andro, dia nampirisika ny rehetra hihinan-kanina i Paoly. Hoy izy: \u201cAnio no andro faha-14 niandrasanareo tao anatin\u2019ny tebiteby sy tsy nihinananareo na inona na inona.",
        "34": "Koa mampirisika anareo hihinan-kanina aho satria hahasoa anareo izany. Fa tsy hisy ho very na singam-bolo iray eo amin\u2019ny lohanareo aza.\u201d",
        "35": "Rehefa avy nilaza an\u2019izany izy, dia naka mofo, ary nisaotra an\u2019Andriamanitra teo anatrehan\u2019ny rehetra. Notapahiny ilay mofo avy eo ary nanomboka nihinana izy.",
        "36": "Dia tsy kivy intsony ny rehetra ka nihinan-kanina koa.",
        "37": "Ary 276 ny isanay rehetra tao amin\u2019ilay sambo.",
        "38": "Rehefa voky izy ireo, dia nariany tany an-dranomasina ny varimbazaha mba hanamaivanana an\u2019ilay sambo.",
        "39": "Rehefa nazava ny andro dia hitan\u2019izy ireo ilay tany, saingy tsy fantany hoe tany aninona io. Nahatazana helodranomasina misy torapasika anefa izy ireo, ka tapa-kevitra ny hampidona an\u2019ilay sambo teo, raha vitany.",
        "40": "Notapahiny \u00e0ry ireo vatofantsika dia navelany ho latsaka tany an-dranomasina. Novahany koa ny tady namatotra an\u2019ireo fivoy familiana. Ary rehefa avy nampiakatra ny lay anoloana mba hotsofin\u2019ny rivotra izy ireo, dia nandroso nankeny amin\u2019ilay torapasika.",
        "41": "Nidona tamin\u2019ny dongom-pasika saron\u2019ny ranomasina anefa ilay sambo. Dia tafajanona teo ilay sambo ka nihitsoka ny lohany ary tsy nihetsika intsony, fa ny vodisambo kosa potipotiky ny onja.",
        "42": "Nanapa-kevitra \u00e0ry ny miaramila fa hamono an\u2019ireo gadra mba tsy hisy hitsoaka hilomano.",
        "43": "Tapa-kevitra ny hiaro ny ain\u2019i Paoly anefa ilay manamboninahitra, ka tsy navelany hanatanteraka an\u2019izay nokasainy ny miaramila. Nasainy nitsambikina tany an-dranomasina izay nahay nilomano mba ho tonga voalohany eny an-tanety.",
        "44": "Ary ny sisa kosa nanaraka, ka nitaingina hazo fisaka na nitaingina zavatra hafa avy tamin\u2019ilay sambo. Dia tonga soa aman-tsara teny an-tanety izy rehetra."
    },
    "28": {
        "1": "Rehefa tonga soa aman-tsara teny an-tanety izahay vao nahafantatra fa Malta no anaran\u2019ilay nosy.",
        "2": "Hafa ny fitenin\u2019ireo mponina tao, ary tsara fanahy be taminay izy ireo. Nandrehitra afo izy ireo ary nandray tsara anay rehetra, satria avy ny orana sady nangatsiaka ny andro.",
        "3": "Rehefa nanangona kitay sy nisorona afo anefa i Paoly, dia nisy bibilava misy poizina nivoaka avy tao, noho ny hafanana, ka niraikitra tamin\u2019ny tanany.",
        "4": "Vao hitan\u2019ireo olona ireo ilay bibilava nikirazorazo teo amin\u2019ny tanany, dia nifampiresaka izy ireo hoe: \u201cTena mpamono olona mihitsy io lehilahy io, fa na tonga soa aman-tsara avy teny an-dranomasina aza izy, dia tsy namela azy ho velona ny Rariny.\u201d",
        "5": "Nakifik\u2019i Paoly tao anaty afo anefa ilay bibilava, ary tsy naninon-tsy naninona izy.",
        "6": "Fa ny olona kosa niandriandry hoe hivontovonto izy na hiankarapoka ho faty tampoka. Rehefa niandry ela anefa izy ireo ary nahita fa tsy naninona izy, dia niova hevitra ka nilaza fa andriamanitra i Paoly.",
        "7": "Ary nanana tany maromaro teo amin\u2019ny manodidina an\u2019izany toerana izany ny lehiben\u2019ilay nosy. Poplio no anarany, ary nandray tsara anay izy ka nampiantrano anay nandritra ny telo andro.",
        "8": "Nandamaka teo am-pandriana ny rain\u2019i Poplio fa nanavy sady nivalan-dra. Dia nankao aminy i Paoly ary nivavaka sy nametra-tanana taminy ka nanasitrana azy.",
        "9": "Tonga teo amin\u2019i Paoly koa ny marary hafa tao amin\u2019ilay nosy taorian\u2019izay, ka nositraniny.",
        "10": "Nanome voninahitra anay koa izy ireo ka nanolotra fanomezana be dia be. Ary rehefa hanainga ilay sambo handehananay, dia nataon\u2019izy ireo tao anaty sambo izay rehetra nilainay.",
        "11": "Telo volana tat\u1ef3 aoriana, dia nandray sambo izahay ary nisy marika hoe \u201cZanakalahin\u2019i Zeosy\u201d teo amin\u2019ny lohan\u2019izy io. Avy tany Aleksandria ilay sambo ary nijanona tao amin\u2019ilay nosy nandritra ny ririnina.",
        "12": "Tonga tao amin\u2019ny seranan\u2019i Syrakosa izahay ka nijanona telo andro tao.",
        "13": "Lasa izahay avy eo ka tonga tao Regioma. Ary nifofofofo ny rivotra avy any atsimo ny ampitson\u2019iny, ka ny afakampitso izahay dia efa tonga tao Potioly.",
        "14": "Nahita rahalahy izahay tao, ary niangavy anay izy ireo mba hijanona fito andro teo amin\u2019izy ireo. Nankany Roma izahay avy eo.",
        "15": "Rehefa naheno ny momba anay ny rahalahy tany, dia nitsena anay hatrany amin\u2019ny Tsenan\u2019i Apio sy ny Tranombahiny Telo. Nisaotra an\u2019Andriamanitra i Paoly raha vao nahita an\u2019ireo, ary nahazo hery.",
        "16": "Ela ny ela ka niditra tao Roma ihany izahay. Dia navela hitokan-trano i Paoly, ary nisy miaramila iray nasaina niambina azy.",
        "17": "Telo andro taorian\u2019izay anefa, dia nampiantso an\u2019ireo lohandohan\u2019ny Jiosy izy. Rehefa tafavory izy ireo, dia hoy izy: \u201cRy\u00a0rahalahy, gadra avy any Jerosalema aho ary natolotra teo an-tanan\u2019ny Romanina, na dia tsy nanao zavatra tsy nety tamin\u2019olona sy nifanohitra tamin\u2019ny fanaon\u2019ny razambentsika aza.",
        "18": "Te hanafaka ahy ihany ny Romanina rehefa avy nanao famotorana, satria tsy nisy antony tokony hamonoana ahy ho faty.",
        "19": "Tsy nanaiky an\u2019izany mihitsy anefa ny Jiosy, ka voatery nampakatra an\u2019ilay raharaha any amin\u2019i Kaisara aho, fa tsy hoe misy zavatra iampangako ny fireneko akory.",
        "20": "Koa izany no nahatonga ahy hangataka ny hihaona sy hiresaka aminareo, satria noho ny fanantenan\u2019ny Israely no mahatonga ahy ho voafatotr\u2019ity rojo vy ity.\u201d",
        "21": "Dia hoy izy ireo: \u201cTsy naharay taratasy avy tany Jodia momba anao izahay, sady tsy nisy rahalahy tonga avy any nitantara na nilaza zava-dratsy momba anao.",
        "22": "Tianay anefa ny haheno ny hevitrao, satria raha ny amin\u2019io sekta io, dia fantatray fa haratsiratsin\u2019ny olona hatraiza hatraiza izy io.\u201d",
        "23": "Koa nanao fotoana tamin\u2019i Paoly izy ireo, ary vao mainka maro kokoa no tonga tao an-tranony. Dia nohazavain\u2019i Paoly tsara tamin\u2019izy ireo ny momba ny Fanjakan\u2019Andriamanitra, nanomboka tamin\u2019ny maraina mandra-paharivan\u2019ny andro. Te handresy lahatra azy ireo momba an\u2019i Jesosy mantsy izy, ka nampiasa ny Lal\u00e0n\u2019i Mosesy sy izay noresahin\u2019ny Mpaminany.",
        "24": "Ary nino an\u2019izay nolazainy ny sasany, fa ny sasany kosa tsy nino.",
        "25": "Dia tsy nifanara-kevitra izy ireo ka niala tsikelikely, fa i Paoly kosa niteny fotsiny hoe: \u201cMarina mihitsy ny tenin\u2019ny fanahy masina tamin\u2019ny razambenareo, tamin\u2019ny alalan\u2019i Isaia mpaminany,",
        "26": "hoe: \u2018Mandehana any amin\u2019ity vahoaka ity ka lazao hoe: \u201cHaheno tokoa ianareo nefa tsy hahazo ny dikan\u2019izany mihitsy, ary hijery ianareo nefa tsy hahita mihitsy.",
        "27": "Fa efa lasa donto ny fon\u2019ity vahoaka ity, ary efa naheno ny sofiny fa tsy rototra izy, ary efa nakimpiny ny masony, amin\u2019izay ny masony tsy hahita mihitsy, ary ny sofiny tsy haheno mihitsy. Amin\u2019izay koa ny fony tsy hahazo ny dikan\u2019izany, dia tsy hiverina amiko izy ka tsy hositraniko.\u201d\u2019",
        "28": "Aoka \u00e0ry ho fantatrareo fa hambara any amin\u2019ny hafa firenena izany famonjena avy amin\u2019Andriamanitra izany. Azo antoka fa hihaino ny fitoriana momba an\u2019izany izy ireny.\u201d",
        "29": "* \u2014\u2014",
        "30": "Koa nipetraka roa taona katroka tao amin\u2019ny trano nohofany i Paoly, ary nandray tsara an\u2019izay rehetra tonga tao aminy.",
        "31": "Nitory ny Fanjakan\u2019Andriamanitra tamin\u2019izy ireo izy ary nampianatra momba an\u2019i Jesosy Kristy Tompo. Tena sahy izy rehefa nanao an\u2019izany sady tsy nisy nanakantsakana."
    },
    "meta": {
        "name": "Asan\u2019ny Apostoly",
        "order": 43,
        "chapter_number": 28
    }
}