UNPKG

mg-bibles

Version:

A package for accessing Bible verses in Malagasy (MG), Diem, King James (KJV), and Louis Segond (APEE) versions

172 lines (171 loc) 30.5 kB
{ "1": { "1": "Ny tenin\u2019i Amosa, izay anisan\u2019ny mpiompy ondry avy ao Tekoa, roa\u00a0taona talohan\u2019ilay horohoron-tany. Azony tao amin\u2019ny fahitana momba ny Israely izany teny izany, tamin\u2019ny andron\u2019i Ozia mpanjakan\u2019ny Joda, sy tamin\u2019ny andron\u2019i Jeroboama zanak\u2019i Joasy mpanjakan\u2019ny Israely.", "2": "Hoy izy: \u201cHierona hoatran\u2019ny liona avy ao Ziona i Jehovah, Ary hiantsoantso avy ao Jerosalema. Ho maina ny kijana, Ary ho maina koa ny tampon\u2019i Karmela.\u201d", "3": "\u201cIzao no tenin\u2019i Jehovah: \u2018\u201cTsy hovako ny didim-pitsarako satria nikomy intelo i\u00a0Damaskosy, inefatra mihitsy aza. Nanosihosy an\u2019i Gileada tamin\u2019ny fitaovana vy fanosihosena varimbazaha mantsy izy.", "4": "Dia handefasako afo ny tranon\u2019i Hazaela, Ka ho levon\u2019ny afo ny tilikambon\u2019i Beni-hadada, dia ireo tilikambo voaro mafy.", "5": "Hotapahiko ny bara hidim-bavahadin\u2019i Damaskosy, Ary haringako ny mponina ao Bikata-avena Sy ilay mpitondra ao Beti-edena. Ary hatao sesitany any Kira ny mponin\u2019i Syria\u201d, hoy i\u00a0Jehovah.\u2019", "6": "Izao no tenin\u2019i Jehovah: \u2018\u201cTsy hovako ny didim-pitsarako satria nikomy intelo i\u00a0Gaza, inefatra mihitsy aza. Nataony babo mantsy ny olona rehetra dia natolony an\u2019i Edoma.", "7": "Dia handefasako afo ny mandan\u2019i Gaza, Ka ho levon\u2019ny afo ny tilikambony voaro mafy.", "8": "Haringako ny mponina ao Asdoda Sy ilay mpitondra ao Askelona. Ary hamely an\u2019i Ekrona aho, Ka ho ripaka izay sisa amin\u2019ny Filistinina\u201d, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.\u2019", "9": "Izao no tenin\u2019i Jehovah: \u2018Tsy hovako ny didim-pitsarako satria nikomy intelo i Tyro, inefatra mihitsy aza. Nataony babo mantsy ny olona rehetra dia natolony an\u2019i Edoma, Ary tsy tsaroany ny fifanekena nataon\u2019ny mpirahalahy.", "10": "Dia handefasako afo ny mandan\u2019i Tyro, Ka ho levon\u2019ny afo ny tilikambony voaro mafy.\u2019", "11": "Izao no tenin\u2019i Jehovah: \u2018Tsy hovako ny didim-pitsarako satria nikomy intelo i\u00a0Edoma, inefatra mihitsy aza. Nanenjika ny rahalahiny tamin\u2019ny sabatra mantsy izy, Sady tsy nety namindra\u00a0fo mihitsy. Tezitra izy ka mamiravira azy ireo foana, Ary mbola tezitra be amin\u2019izy ireo foana.", "12": "Dia handefasako afo ao Temana, Ka ho levon\u2019ny afo ny tilikambo voaro mafy ao Bozra.\u2019", "13": "Izao no tenin\u2019i Jehovah: \u2018\u201cTsy hovako ny didim-pitsarako satria nikomy intelo ny Amonita, inefatra mihitsy aza. Notatahany mantsy ny kibon\u2019ny vehivavy bevohoka tao Gileada, mba hanitarany ny taniny.", "14": "Dia handefasako afo ny mandan\u2019i Raba, Ka ho levon\u2019ny afo ny tilikambony voaro mafy. Hisy antso fanairana amin\u2019ny andro hisian\u2019ny ady, Ary hisy tafio-drivotra mahery amin\u2019ny andro hisian\u2019ny oram-baratra.", "15": "Ary hatao sesitany ny mpanjakan\u2019izy ireo sy ny andrianany\u201d, hoy i Jehovah.\u2019" }, "2": { "1": "\u201cIzao no tenin\u2019i Jehovah: \u2018\u201cTsy hovako ny didim-pitsarako satria nikomy intelo i Moaba, inefatra mihitsy aza. Nodorany mantsy ny taolan\u2019ny mpanjakan\u2019i Edoma mba hahazoana sokay.", "2": "Dia handefasako afo any Moaba, Ka ho levon\u2019ny afo ny tilikambo voaro mafy ao Keriota. Ao anatin\u2019ny tabataba be i\u00a0Moaba no ho faty. Hisy hanao hiakan\u2019ady sy hitsoka anjombona koa amin\u2019izay.", "3": "Hesoriko tsy ho eo aminy ny mpitondra, Ary hovonoiko miaraka amin\u2019izy io ny andrianany rehetra\u201d, hoy i Jehovah.\u2019", "4": "Izao no tenin\u2019i Jehovah: \u2018Tsy hovako ny didim-pitsarako satria nikomy intelo ny Joda, inefatra mihitsy aza. Tsy niraharaha ny lal\u00e0n\u2019i Jehovah mantsy izy ireo, Sady tsy nanaraka ny fitsipiny. Ny lainga efa ninoan\u2019ny razambeny ihany no namitaka azy ireo.", "5": "Dia handefasako afo ao Joda, Ka ho levon\u2019ny afo ny tilikambo voaro mafy ao Jerosalema.\u2019", "6": "Izao no tenin\u2019i Jehovah: \u2018Tsy hovako ny didim-pitsarako satria nikomy intelo ny Israely, inefatra mihitsy aza. Namidiny mantsy ny olo-marina mba hahazoana volafotsy, Ary namidiny ny mahantra mba hahazoana kapa.", "7": "Hosihoseny ao anaty vovoka ny lohan\u2019ny mahantra, Ary sakanany ny lalan\u2019ny mpandefitra. Amin\u2019ny ankizivavy iray ihany ny lehilahy iray sy ny zanany lahy no manao firaisana, Ka manazimbazimba ny anarako masina.", "8": "Mitsotsotra eo ambony fitafiana natao antoka izy, eny akaikin\u2019ny alitara rehetra eny. Ividianany divay ny vola azony tamin\u2019ny olona nampandoaviny sazy, dia sotroiny ao an-tranon\u2019ny andriamaniny ilay izy avy eo.\u2019", "9": "\u2018Izaho anefa no nandringana ny Amorita teo imasony. Lava ranjanana hoatran\u2019ny hazo sedera ny Amorita, sady matanjaka hoatran\u2019ny hazo oaka. Dia nopotipotehiko ny voany teny ambony sy ny fakany tao ambany.", "10": "Izaho no nitondra anareo niakatra avy tany Ejipta, Sy nitarika anareo hamakivaky ny tany efitra nandritra ny 40\u00a0taona, Mba hakanareo ny tanin\u2019ny Amorita.", "11": "Nisy nataoko mpaminany ny zanakareo lahy, Ary nisy nataoko Nazirita ny tovolahy teo aminareo. Tsy izany ve no tokony ho nataoko, ry\u00a0vahoakan\u2019Israely\u00a0\u00f4?\u2019, hoy i Jehovah.", "12": "\u2018Nampisotroinareo divay foana anefa ny Nazirita, Ary nandidy ny mpaminany ianareo hoe: \u201cAza maminany.\u201d", "13": "Manorotoro an\u2019izay andalovany ny sarety feno vary avy\u00a0nojinjaina, Dia hoatr\u2019izany koa fa hanorotoro anareo eo amin\u2019ny toerana misy anareo aho.", "14": "Tsy hahita toerana handosirana ny olona mahery\u00a0mandeha. Tsy hanana hery intsony koa ny olona matanjaka, Ary tsy hisy miaramila ho afa-mandositra ka hahavonjy ny ainy.", "15": "Tsy ho tafavoaka velona ny mpandefa zana-tsip\u00ecka. Tsy ho afa-mandositra koa ny olona mahery\u00a0mandeha, Ary tsy ho afa-mandositra ny mpitaingin-tsoavaly ka tsy hahavonjy ny ainy.", "16": "Na izay be herim-po indrindra amin\u2019ny miaramila aza, Dia handositra mitanjaka amin\u2019izany andro izany\u2019, hoy i Jehovah.\u201d" }, "3": { "1": "\u201cHenoy izao teny nolazain\u2019i Jehovah momba anareo izao, ry\u00a0vahoakan\u2019Israely\u00a0\u00f4, dia teny momba ilay fianakaviana manontolo izay nentiny niakatra avy tany Ejipta:", "2": "\u2018Ianareo ihany no fantatro tamin\u2019ny fianakaviana rehetra eny ambonin\u2019ny tany. Koa hosaziko ianareo noho ny fahadisoana rehetra nataonareo.", "3": "Hiara-mandeha ve ny olona roa, raha tsy efa nifanao fotoana?", "4": "Hierona any an\u2019ala ve ny liona, raha tsy misy haza? Hierona avy ao amin\u2019ny lavaka ipetrahany ve ny liona tanora, raha tsy nahazo na inona na inona?", "5": "Ho latsaka ao anaty fandrika eo amin\u2019ny tany ve ny vorona, raha tsy nisy nametraka fandrika? Hiainga ho azy avy eo amin\u2019ny tany ve ny fandrika, raha tsy nahazo na inona na inona?", "6": "Raha tsofina ao an-tan\u00e0na ny anjombona, tsy hangovitra ve ny olona? Raha misy loza ao an-tan\u00e0na, tsy i Jehovah ve no nahatonga izany?", "7": "Tsy hanao na inona na inona mantsy i Jehovah Tompo Fara Tampony, Raha tsy efa nampahafantatra ny tsiambaratelony tamin\u2019ny mpaminany mpanompony.", "8": "Mierona ny liona, ka iza no tsy hatahotra? I Jehovah Tompo Fara Tampony no miteny, ka iza no tsy haminany?\u2019", "9": "\u2018Izao lazaina eny amin\u2019ny tilikambo voaro mafy ao Asdoda, Sy eny amin\u2019ny tilikambo voaro mafy any Ejipta: \u201cMivoria eo amin\u2019ny tendrombohitr\u2019i Samaria, Ary jereo fa mikorontana be ny ao an-tan\u00e0na, Sady feno olona mpanambaka.", "10": "Tsy mahalala hanao izay tsara izy ireo\u201d, hoy i Jehovah, \u201cNahery setra sy nandravarava izy ireo ka nahazo harena, ary tehiriziny ao amin\u2019ny tilikambony voaro mafy ireny.\u201d\u2019", "11": "Izao \u00e0ry no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u2018Hisy fahavalo hanodidina ny taninao, Ka hataony izay hahalany ny herinao, Dia ho voaroba ireo tilikambonao voaro mafy.\u2019", "12": "Izao koa no tenin\u2019i Jehovah: \u2018Rehefa misintona ondry avy eo am-bavan\u2019ny liona ny mpiandry, dia ny tongony roa na ampahany kely amin\u2019ny sofiny sisa no azony. Dia hoatr\u2019izany koa fa ho vitsy kely no ho voavonjy amin\u2019ny vahoakan\u2019Israely, Amin\u2019ireo mipetrapetraka eo ambony fandriana tsara tarehy sy eo amin\u2019ny seza lava tsara be, ao Samaria.\u2019", "13": "\u2018Mihainoa ka ampitandremo ny taranak\u2019i Jakoba\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony sady Andriamanitry ny tafika.", "14": "\u2018Fa amin\u2019ny andro hanasaziako ny Israely noho izy nikomy foana, Dia hopotehiko koa ireo alitara ao Betela, Ary hotapahiko ny tandroky ny alitara ka ho latsaka amin\u2019ny tany.", "15": "Harodako ny trano ririnina sy ny trano fahavaratra.\u2019 \u2018Horavana ny trano ivoara, Ary hirodana koa ireo trano lehibe\u2019, hoy i Jehovah.\u201d" }, "4": { "1": "\u201cHenoy izao, ry\u00a0ombivavin\u2019i Basana Eo amin\u2019ny tendrombohitr\u2019i Samaria, Dia ianareo vehivavy manambaka ny madinika sady mampahory ny mahantra, Ary milaza amin\u2019ny vadinareo hoe: \u2018Mitondr\u00e0 zavatra hosotroina!\u2019", "2": "Masina i Jehovah Tompo Fara Tampony ka mianiana hoe: \u2018\u201cHo avy ny andro hanaingany anareo amin\u2019ny faraingon\u2019ny mpivaro-kena, Ary hanaingany ny sisa aminareo amin\u2019ny lelam-pintana.", "3": "Eo amin\u2019ny manda voagorobaka no hivoahanareo, eo amin\u2019izay mifanitsy aminareo avy. Ary horoahina ho any Harmona ianareo\u201d, hoy i\u00a0Jehovah.\u2019", "4": "\u2018Mankanesa ao Betela mba handika lal\u00e0na, Ary manaova mihoatra noho izany ao Gilgala. Mitondr\u00e0 sorona amin\u2019ny maraina, Ary mitondr\u00e0 ampahafolon-karena, amin\u2019ny andro fahatelo.", "5": "Dory ny mofo misy lalivay, izay ataonareo fanatitra fisaorana an\u2019Andriamanitra. Ataovy fanta-bahoaka fa manao fanatitra an-tsitrapo ianareo, Satria izany no efa tianareo, ry\u00a0vahoakan\u2019Israely\u00a0\u00f4\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.", "6": "\u2018Nandefasako mosary ny tan\u00e0na rehetra nipetrahanareo, Ary nataoko tsy nisy sakafo tany amin\u2019ny trano rehetra nisy anareo. Tsy niverina tamiko anefa ianareo\u2019, hoy i Jehovah.", "7": "\u2018Tsy nomeko orana koa ianareo, telo volana talohan\u2019ny fijinjana. Nandatsahako orana ny tan\u00e0na iray, fa ny iray kosa tsy nandatsahako. Nahazo orana ny saha iray, Fa ny iray kosa maina satria tsy nisy orana.", "8": "Nivembena nankany amin\u2019ny tan\u00e0na iray ny olona tao amin\u2019ny tan\u00e0na roa na telo mba hisotro rano, Nefa tsy afa-ketaheta. Tsy niverina tamiko anefa ianareo\u2019, hoy i Jehovah.", "9": "\u2018Nataoko mainan\u2019ny rivotra mahamay sy tratran\u2019ny aretin-javamaniry ny volinareo. Nataonareo be dia be ny zaridaina sy ny tanimboalobokareo, Saingy lanin\u2019ny valala ny hazo aviavy sy ny hazo olivanareo. Mbola tsy niverina tamiko ihany anefa ianareo\u2019, hoy i\u00a0Jehovah.", "10": "\u2018Nandefasako areti-mandringana hoatran\u2019ilay tany Ejipta ianareo, Ary novonoiko tamin\u2019ny sabatra ny tovolahy teo aminareo, sady nalaiko ny soavalinareo. Dia nataoko lasa maimbo be ny tobinareo, noho ireo faty tao. Tsy niverina tamiko anefa ianareo\u2019, hoy i Jehovah.", "11": "\u2018Nopotehiko ny taninareo, Hoatran\u2019ny nataoko tamin\u2019i Sodoma sy Gomora, Ary lasa hoatran\u2019ny kitay nesorina haingana avy tao anaty afo ianareo. Tsy niverina tamiko anefa\u00a0ianareo\u2019, hoy i Jehovah.", "12": "Izany \u00e0ry no haveriko aminao, ry\u00a0Israely\u00a0\u00f4! Izany mihitsy no hataoko aminao, Ka miom\u00e0na hifanatrika amin\u2019ny Andriamanitrao, ry\u00a0Israely\u00a0\u00f4!", "13": "Fa Izy no nanao ny tendrombohitra sy namorona ny rivotra. Milaza ny heviny amin\u2019ny olona izy, Sady mahatonga ny hazavan\u2019ny maraina ho maizina, Ary manitsaka ny toerana avo eto an-tany. Jehovah Andriamanitry ny tafika no anarany.\u201d" }, "5": { "1": "\u201cHenoy izao teny anamelohako anareo izao, ry\u00a0taranak\u2019Israely\u00a0\u00f4, dia izao hira fisaonana izao:", "2": "\u2018Nianjera ny Israely virjiny, Ka tsy tafatsangana intsony. Navela teo amin\u2019ny taniny izy, Ary tsy misy manarina.\u2019", "3": "\u201cFa izao no tenin\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u2018Ilay tan\u00e0na nandefa arivo lahy handeha hiady, dia tsy hanana afa-tsy zato lahy sisa. Ary ilay nandefa zato lahy, dia tsy hanana afa-tsy folo sisa. Izany no hanjo ny taranak\u2019Israely.\u2019", "4": "\u201cFa izao no tenin\u2019i Jehovah amin\u2019ny taranak\u2019Israely: \u2018Mitadiava ahy, dia ho velona ianareo.", "5": "Aza mivezivezy any Betela anefa, Ary aza mankany Gilgala, na miampita mankany Beri-sheba. Fa tsy maintsy hatao sesitany i Gilgala, Ary ho foana tsy hisy intsony i Betela.", "6": "Mitadiava an\u2019i Jehovah, dia ho velona ianareo, Sao izy ho lasa hoatran\u2019ny afo mirehitra be tampoka eo amin\u2019ny taranak\u2019i Josefa, Ka handevona an\u2019i Betela, ary tsy hisy hamono izany afo izany.", "7": "Manao ny tsy rariny ianareo rehefa mitsara, ka lasa mangidy ny fiainan\u2019ny vahoaka. Ary atsipinareo amin\u2019ny tany ny rariny.", "8": "Ilay nanao ny antokon-kintana Kimaha sy ny antokon-kintana Kesila, Ilay manova ny haizim-pito ho maraina, Ilay manao ny andro ho maizina hoatran\u2019ny alina, Ilay manangona ny ranomasina, Mba handrarahana azy eto ambonin\u2019ny tany, Dia Jehovah no anarany.", "9": "Handringana tampoka an\u2019izay matanjaka izy, Ka handrava ny toerana voaro mafy.", "10": "Halanareo ny olona mananatra eo am-bavahadin\u2019ny tan\u00e0na, Ary tsy tianareo izay milaza ny marina.", "11": "Takinareo amin\u2019ny mahantra ny hofan\u2019ny saha voleny, Nefa koa alainareo ho hetra ny varimbazahany. Tsy hipetraka intsony ao amin\u2019ny trano vato naorinareo \u00e0ry ianareo, Ary tsy hisotro divay avy amin\u2019ny tanimboaloboka tsara\u00a0be novolenareo.", "12": "Fantatro fa mikomy foana ianareo, Ary tena ratsy ny zavatra ataonareo. Mampijaly ny olo-marina ianareo, Sady mandray kolikoly. Tsy omenareo rariny koa ny mahantra eo am-bavahadin\u2019ny tan\u00e0na.", "13": "Hangina \u00e0ry izay malina amin\u2019izany fotoana izany, Fa ho fotoana hiavian\u2019ny loza izany.", "14": "Tadiavo izay tsara fa tsy izay ratsy, Mba ho velona ianareo. Dia hanampy anareo i Jehovah Andriamanitry ny tafika, Araka ny teninareo hoe manampy izy.", "15": "Ankahalao ny ratsy ary tiavo ny tsara. Ary ampanjakao eo am-bavahadin\u2019ny tan\u00e0na ny rariny, Fa angamba i Jehovah Andriamanitry ny tafika Hamindra fo amin\u2019izay sisa amin\u2019ny taranak\u2019i Josefa.\u2019", "16": "\u201cIzao \u00e0ry no tenin\u2019i Jehovah, dia i Jehovah Andriamanitry ny tafika: \u2018Hidradradradra eny amin\u2019ny tany malalaka rehetra ny olona, Sady hilaza eny amin\u2019ny lalana rehetra hoe: \u201cIndrisy! Indrisy!\u201d Dia hantsoin\u2019izy ireo ny mpamboly mba hisaona, Ary hokaramain\u2019izy ireo ny mpitomany mba hidradradradra.\u2019", "17": "\u2018Ary hisy olona hidradradradra eny amin\u2019ny tanimboaloboka rehetra, Fa handalo eo aminareo aho\u2019, hoy i Jehovah.", "18": "\u2018Hahita loza izay maniry mafy ny hahatongavan\u2019ny andron\u2019i Jehovah! Inona no antenainareo hitranga amin\u2019ny andron\u2019i Jehovah? Ho haizina izany fa tsy hazavana.", "19": "Izany dia hoatran\u2019ny olona mandositra liona nefa sendra orsa, Ary rehefa tafiditra ao an-tranony izy ka miankina amin\u2019ny rindrina, dia kaikerin\u2019ny bibilava.", "20": "Ho haizina ny andron\u2019i Jehovah fa tsy hazavana, Ary ho andro manjombona fa tsy mamirapiratra.", "21": "Halako sady maharikoriko ahy ny fetinareo, Ary tsy mahafinaritra ahy ny hanitry ny sorona ataonareo amin\u2019ny fivoriambe makotrokotroka.", "22": "Na dia manolotra fanatitra dorana manontolo sy fanatitra atao fanomezana ho ahy aza ianareo, Dia tsy hahafinaritra ahy ireny. Ary tsy hankasitrahako ny biby nohatavezina hataonareo sorona iombonana.", "23": "Aoka izay ny tabataban\u2019ny hiranareo! Ary tsy tiako ho heno intsony ny feon-kira milantolanto avy amin\u2019ny zavamaneno fitendrinareo.", "24": "Avelao ny rariny hikoriana hoatran\u2019ny rano, Ary ny fahamarinana hikoriana hoatran\u2019ny renirano tsy mety ritra.", "25": "Angaha moa ianareo mba nitondra sorona sy fanatitra natao fanomezana ho ahy, Tamin\u2019ianareo tany an-tany efitra nandritra an\u2019ireny 40\u00a0taona ireny, ry\u00a0taranak\u2019Israely?", "26": "Ary tsy maintsy hoentinareo miaraka aminareo i Sikota mpanjakanareo sy Kiona, Izay sampy namboarinareo, dia ny sarin\u2019ilay kintana andriamanitrareo.", "27": "Ary hataoko sesitany lavitra be an\u2019i Damaskosy ianareo\u2019, hoy ilay manana anarana hoe Jehovah Andriamanitry ny tafika.\u201d" }, "6": { "1": "\u201cHahita loza ny olona matoky tena any Ziona, Dia ireo tsy manana ahiahy eny amin\u2019ny tendrombohitr\u2019i Samaria, Ireo olona ambony eo amin\u2019ilay firenena malaza indrindra, Ireo ianteheran\u2019ny taranak\u2019Israely!", "2": "Miampit\u00e0 any Kalne, ka mijere! Rehefa avy any indray dia mankanesa any Hamata Lehibe, Ary mid\u00ecna mankany Gata, tan\u00e0nan\u2019ny Filistinina. Tsara noho ireto fanjakana ireto ve ireny? Sa lehibe noho ny anareo ny tanin\u2019ireny?", "3": "Tsy eritreretinareo intsony ve ilay andro hiavian\u2019ny loza, Fa ny herisetra indray no tianareo hanjaka?", "4": "Matory eo ambony fandriana ivoara ianareo ary mitsilailay eo amin\u2019ny seza lava, Sady mihinana vantotr\u2019ondrilahy avy amin\u2019ny andiany, sy zanak\u2019omby mifahy.", "5": "Mamoromporona hira hifanaraka amin\u2019ny feon\u2019ny harpa ianareo, Ary mamorona zavamaneno, hoatran\u2019ny nataon\u2019i Davida.", "6": "Misotro divay amin\u2019ny vilia baolina ianareo, Ary mihosotra menaka faran\u2019izay tsara. Tsy raharahianareo anefa ny loza manjo an\u2019i Josefa.", "7": "Ianareo \u00e0ry no ho voalohany amin\u2019ireo hatao sesitany, Ary tsy hiliba hanao fety intsony ireo mitsilailay eo amin\u2019ny seza lava.", "8": "Hoy i Jehovah Andriamanitry ny tafika: \u2018Mianiana amin\u2019ny tenany i Jehovah Tompo Fara Tampony hoe: \u201cTena tsy tiako ny fireharehan\u2019i Jakoba, Ary halako ny tilikambony voaro mafy, Ka hataoko resin\u2019ny fahavalony ilay tan\u00e0na sy izay rehetra ao.", "9": "\u201c\u2018\u201cAry raha folo lahy sisa no ao amin\u2019ny trano iray, dia ho faty koa ireo.", "10": "Havoakan\u2019ny havany ny fatin\u2019izy ireo ka hodorany tsirairay. Havoakany avy ao an-trano ny fatin\u2019izy ireo, ka hiteny amin\u2019izay olona ao amin\u2019ilay efitrano anatiny indrindra izy hoe: \u2018Mbola misy olona ve ao aminao ao?\u2019 Dia hamaly io hoe: \u2018Tsy misy!\u2019 Ary hoy indray izy: \u2018Mang\u00ecna! Fa tsy izao intsony no fotoana iantsoana ny anaran\u2019i Jehovah.\u2019\u201d", "11": "Fa manome baiko i Jehovah, Ka horavany tanteraka ny trano lehibe, Ary hopotipotehiny ny trano madinika.", "12": "Mihazakazaka eny amin\u2019ny harambato ve ny soavaly? Ary hisy hiasa tany miaraka amin\u2019ny ombiny ve eny? Tsy manao ny rariny ianareo ka lasa hoatran\u2019ny zavamaniry misy poizina, Ary tsy manao izay mahitsy ianareo ka lasa toy ny zavamaniry mangidy be.", "13": "Mifaly amin\u2019ny zavatra tsy misy dikany ianareo, Ka miteny hoe: \u201cTsy noho ny herintsika ve no nahatonga antsika hanana fahefana?\u201d", "14": "Dia hitondra firenena hamely anareo aho, ry\u00a0taranak\u2019Israely\u2019, hoy i Jehovah Andriamanitry ny tafika. \u2018Ary hampahory anareo izy, hatrany Lebo-hamata ka hatrany amin\u2019ny Lalan-driakan\u2019i Araba.\u2019\u201d" }, "7": { "1": "Ary izao no nasehon\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony tamiko: Nandefa andiam-balala izy rehefa nanomboka nitsiry ny voly nafafy tamin\u2019ny ririnina. Io ilay nafafy, rehefa vita ny fakana ny vilona ho an\u2019ny mpanjaka.", "2": "Rehefa lanin\u2019ny andiam-balala ny zavamaniry teo amin\u2019ilay tany, dia hoy aho: \u201cRy\u00a0Jehovah Tompo Fara Tampony\u00a0\u00f4, mba avelao re ny helony\u00a0e! Mbola ho tafavoaka velona ve i Jakoba? Fa malemy ange izy\u00a0e!\u201d", "3": "Dia niova hevitra i Jehovah. \u201cTsy hitranga izany\u201d, hoy i Jehovah.", "4": "Izao koa no nasehon\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony tamiko: Nandefa afo mba hanasaziana i Jehovah Tompo Fara Tampony. Dia lasa ritra ny rano lalina midadasika ary levona ny ampahan\u2019ilay tany.", "5": "Dia hoy aho: \u201cRy\u00a0Jehovah Tompo Fara Tampony\u00a0\u00f4, mba aoka re izay\u00a0e! Mbola ho tafavoaka velona ve i Jakoba? Fa malemy ange izy\u00a0e!\u201d", "6": "Dia niova hevitra i Jehovah. \u201cTsy hitranga koa izany\u201d, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.", "7": "Ary izao no nasehony tamiko: Nijoro teo ambony manda izay efa nampiasana pilao i Jehovah, sady nitazona pilao.", "8": "Dia hoy i Jehovah tamiko: \u201cInona no hitanao, ry\u00a0Amosa?\u201d Ary hoy aho: \u201cPilao.\u201d Dia hoy i Jehovah: \u201cHampiasako pilao ny Israely vahoakako, ka tsy havelako intsony ny helony.", "9": "Hatao tsy misy mponina intsony eny amin\u2019ny toerana avon\u2019i Isaka, ary horavana ireo toerana masin\u2019ny Israely. Dia hasiako amin\u2019ny sabatra ny taranak\u2019i Jeroboama.\u201d", "10": "Nandefa an\u2019izao hafatra izao tany amin\u2019i Jeroboama mpanjakan\u2019ny Israely i Amazia, mpisorona tao Betela: \u201cEto amin\u2019ny taranak\u2019Israely eto mihitsy i Amosa no manao teti-dratsy hanoherana anao. Tsy zakan\u2019ny olona eto ny teniny rehetra.", "11": "Hoy mantsy i Amosa: \u2018Ho fatin\u2019ny sabatra i Jeroboama, ary ny Israely kosa tsy maintsy hatao sesitany ka hiala amin\u2019ny taniny.\u2019\u201d", "12": "Dia hoy i Amazia tamin\u2019i Amosa: \u201c\u2019Ndeha mandeha any, ry\u00a0mpahita fahitana, ka mandosira any Joda. Dia mias\u00e0 any, ary any ianao no mahazo maminany.", "13": "Fa aza maminany eto Betela intsony, satria toerana masin\u2019ny mpanjaka eto sady renivohi-panjakana.\u201d", "14": "Dia hoy i Amosa tamin\u2019i Amazia: \u201cSady tsy mpaminany aho no tsy zanaka mpaminany. Fa mpiandry ondry aho ary nikarakara aviavidia.", "15": "Nalain\u2019i Jehovah teny am-piandrasana ondry anefa aho. Dia hoy i Jehovah tamiko: \u2018Mandehana maminany amin\u2019ny Israely vahoakako.\u2019", "16": "Henoy \u00e0ry ny tenin\u2019i Jehovah: \u2018Ianao niteny hoe: \u201cAza maminany hoe hisy loza hanjo ny Israely, ary aza mitory hoe homelohina ny taranak\u2019i Isaka.\u201d", "17": "Izao \u00e0ry no tenin\u2019i Jehovah: \u201cNy vadinao ho lasa mpivaro-tena ao an-tan\u00e0na, ary ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy ho fatin\u2019ny sabatra. Ny taninao kosa hifampizarana sy horefesina amin\u2019ny tady fandrefesana. Ianao indray ho faty any an-tany hafa, ary ny Israely kosa tsy maintsy hatao sesitany ka hiala amin\u2019ny taniny.\u201d\u2019\u201d" }, "8": { "1": "Izao no nasehon\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony tamiko: Harona iray misy voankazo masaka fahavaratra.", "2": "Ary hoy izy: \u201cInona no hitanao, ry\u00a0Amosa?\u201d Dia hoy aho: \u201cHarona misy voankazo masaka fahavaratra.\u201d Ary hoy i Jehovah tamiko: \u201cTonga ny farany ho an\u2019ny Israely vahoakako. Tsy havelako intsony ny helony.", "3": "\u2018Tsy hisy hihira intsony ao amin\u2019ny tempoly amin\u2019izany andro izany, fa hidradradradra\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony. \u2018Ary hisy faty be dia be hariana eny rehetra eny. Mang\u00ecna\u00a0\u00f4!\u2019", "4": "Henoy izao, ry mpampijaly ny mahantra, Dia ianareo izay mandripaka ny mpandefitra eto amin\u2019ity tany ity,", "5": "Ka miteny hoe: \u2018Rahoviana vao ho tapitra ny fetin\u2019ny tsinam-bolana mba hivarotanay varimbazaha, Ary ny Sabata mba hahafahanay hivarotra varimbazaha indray? Dia ho afaka hampiasa efaha kely kokoa Sy sekely mavesatra kokoa izahay, Dia tsy ho marina intsony ny mizana, ka ho afaka hanambaka izahay.", "6": "Dia ho afaka hividy olona sahirana koa izahay, ka volafotsy no hividiananay azy, Sady ho afaka hividy olona mahantra, ka hoatran\u2019ny vidina kapa no hividiananay azy, Ary ho afaka hivarotra varimbazaha efa fakofakony.\u2019", "7": "Nianiana tamin\u2019ny tenany i Jehovah, ilay Reharehan\u2019i Jakoba, hoe: \u2018Tsy hohadinoiko mihitsy izay rehetra nataon\u2019izy ireo.", "8": "Izany no mahatonga ny tany hihovotrovotra, Sy mahatonga ny mponina rehetra ao aminy hisaona. Tsy hisondrotra toy ny ranon\u2019i Neily ve ny tany manontolo, Sady hiaka-midina hoatran\u2019i Neily any Ejipta?\u2019", "9": "\u2018Amin\u2019izany andro izany\u2019, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, \u2018Dia hataoko milentika amin\u2019ny mitataovovonana ny masoandro, Ary hataoko maizina amin\u2019ny andro mazava\u00a0be ny tany.", "10": "Dia hataoko tsy misy intsony ny fetinareo ka hisaona ianareo, Ary hovako ho hira fisaonana ny hira rehetra fanaonareo. Hataoko misikina lamba gony ny olona rehetra, ary hosolaiko ny lohan\u2019izy rehetra. Hataoko toy ny fisaonana zanaka lahitokana izany, Ka tena hangidy ny hiafaran\u2019izany andro izany.\u2019", "11": "Hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony: \u2018Ho avy ny andro handefasako mosary eo amin\u2019ilay tany. Tsy hoe mosary noho ny sakafo tsy misy, na hetaheta noho ny rano tsy misy, Fa faniriana handre ny tenin\u2019i Jehovah.", "12": "Hivembena hatrany amin\u2019ny ranomasina ka hatrany amin\u2019ny ranomasina izy ireo, Ary hatrany avaratra ka hatrany atsinanana. Dia hivezivezy hitady ny tenin\u2019i Jehovah izy, nefa tsy hahita.", "13": "Amin\u2019izany andro izany, dia ho safotra ny virjiny tsara tarehy, Ary ho safotra koa ny tovolahy, satria hangetaheta\u00a0be.", "14": "Mianiana amin\u2019ny andriamani-dison\u2019i Samaria izy ireo, sady miteny hoe: \u201cRaha mbola velona koa ny andriamanitrao, ry\u00a0Dana!\u201d, Sy hoe: \u201cRaha mbola misy koa ny lalana mankany Beri-sheba!\u201d Hianjera izy ireo ka tsy ho tafarina intsony.\u2019\u201d" }, "9": { "1": "Nahita an\u2019i Jehovah teo ambonin\u2019ny alitara aho. Ary hoy izy: \u201cKapohy eo amin\u2019ny lohany ny andry dia hihozongozona ny fotony. Tapaho eo amin\u2019ny lohany ireo, ary hovonoiko amin\u2019ny sabatra ny olona sisa tavela. Tsy hisy ho tafavoaka na izay mandositra na izay mitady hitsoaka.", "2": "Raha mangady lavaka ho any amin\u2019ny Fasana izy ireo, Dia any no hakan\u2019ny tanako azy. Ary raha miakatra eny amin\u2019ny lanitra izy, Dia avy eny no hampidinako azy.", "3": "Raha miafina eny an-tampon\u2019i Karmela izy, Dia eny no hikarohako sy hakako azy. Ary raha miafina any amin\u2019ny farany ambany amin\u2019ny ranomasina izy mba tsy ho hitako, Dia any ny bibilava no hasaiko hanaikitra azy.", "4": "Raha entina babo any amin\u2019ny tanin\u2019ny fahavalony izy, Dia any ny sabatra no hasaiko hamono azy. Hifantoka aminy ny masoko mba hanisy ratsy azy, fa tsy hanao soa.", "5": "Fa i Jehovah Tompon\u2019ny tafika sady Tompo Fara Tampony no mikasika ny tany, Ka hihozongozona izy io, ary hisaona ny mponina rehetra eo aminy. Hisondrotra toy ny ranon\u2019i Neily ny tany manontolo, Sady hihena hoatran\u2019i Neily any Ejipta.", "6": "\u2018Ilay manao ny tohatra mankany an-danitra, Sy manao tafo boribory eo ambonin\u2019ny tany, Ilay miantso ny ranomasina Mba handraraka azy eny ambonin\u2019ny tany. Jehovah no anarany.\u2019", "7": "\u2018Tsy mitovy amin\u2019ny taranaky ny Kosita ihany ve ianareo amiko, ry\u00a0vahoakan\u2019Israely?\u2019, hoy i Jehovah. \u2018Angaha tsy izaho no nitondra ny Israely avy tany Ejipta, Sy nitondra ny Filistinina avy tany Kreta, ary ny Syrianina avy tany Kira?\u2019", "8": "\u2018Mijery an\u2019ilay fanjakana mpanota ny mason\u2019i Jehovah Tompo Fara Tampony, Ka hofoanany tsy hisy intsony eny ambonin\u2019ny tany izy io. Tsy haringako tanteraka anefa ny taranak\u2019i Jakoba\u2019, hoy i Jehovah.", "9": "\u2018Hanome baiko aho, Ka hohozongozoniko eny amin\u2019ny firenena rehetra ny taranak\u2019Israely, Hoatran\u2019ny manozongozona sivana, Mba tsy hisy vatokilonjy hilatsaka amin\u2019ny tany.", "10": "Ho fatin\u2019ny sabatra ny mpanota rehetra amin\u2019ny vahoakako, Dia izay milaza hoe: \u201cTsy hanakaiky anay na hahatratra anay ny loza.\u201d\u2019", "11": "\u2018Amin\u2019izany andro izany, dia hatsangako ny trano rantsankazon\u2019i Davida izay efa nirodana, Ary hotampenako izay gorobaka. Haveriko amin\u2019ny laoniny izay sisa tsy rava tamin\u2019ilay izy. Hamboariko indray ilay izy dia ho lasa hoatran\u2019ny taloha,", "12": "Amin\u2019izay mba ho azony alaina ny sisa tavela amin\u2019i Edoma, Sy ny firenena rehetra izay antsoina amin\u2019ny anarako\u2019, hoy i Jehovah, izay hanao an\u2019izany.", "13": "\u2018Ho avy ny andro\u2019, hoy i\u00a0Jehovah, \u2018Ka ho tratran\u2019ny mpiasa tany ny mpijinja, Ary ho tratran\u2019ny mpanitsakitsaka voaloboka ny mpamafy voa. Hisy divay mamy hitete eny an-tendrombohitra, Ka hikoriana eny amin\u2019ny havoana rehetra.", "14": "Hampodiko izay babo amin\u2019ny Israely vahoakako. Haorin\u2019izy ireo indray ny tan\u00e0na rava, ka ao izy no hipetraka. Hamboly voaloboka koa izy ireo ka hisotro ny divay azo avy amin\u2019izany, Sady hanao zaridaina ka hihinana ny vokatra amin\u2019izany.", "15": "\u2018Hamboleko eo amin\u2019ny taniny izy ireo, Ka tsy hongotana hiala amin\u2019ilay tany nomeko azy intsony\u2019, Hoy i Jehovah Andriamanitrao.\u201d" }, "meta": { "name": "Amosa", "order": 29, "chapter_number": 9 } }